"Misaotra Barea!" na ilay angano nanivaka tamin'ny baolina fandaka malagasy

2019-07-18 @ 09:00 in Spaoro

Nanana ny lazany teto amin'ny firenena izany teny hoe "Alefa Barea" izany. Anaram-pikambanana nanohana mavitrika ny ekipam-pirenena malagasy, saingy lasa teny tarigetra nampihorohoro sy nahasanganehana ireo firenen-kafa nifanehatra taminy tao amin'ny CAN (TotalAfCon 2019) notontosaina tany Ejipta. Sambany tokoa i Madagasikara no mba tafiditra dingana famaranana tamin'izany lalao CAN izany.

Nanana ny akony lehibe tamin'ny vahoaka malagasy ny nahatafakatra ny ekipam-pirenena hatramin'ny ampahaefa-dalana. Horakoraka tany amin'ny faritra vitsivitsy an-tanandehibe raha nandresy tamin'ny lalao faharoa, mbola vao ny ila-tongotra ihany anefa no tafiditra any amin'ny ampahavalon-dalana tamin'io fotoana io. Niitatra faritra maro kokoa izany teo am-piravana lalao fahatelo sady nandresena ny ekipam-pirenena nizeriana (tabataba nanerana an'Antananarivo, nankarenin-tsofina ny kapokapoka sarom-bilany). Somary nangingina ihany anefa taty aminay ambanivohitra, tsy sahy nihorakoraka samirery sao dia lazain'ny olona ho miantso vonjeo eo. Mino anefa aho fa nisy nifaly naningatsingana ihany tany ho any. Tsy nety nahita tory noho ny hafaliana ka ny tao amin'ny tambajotran-tserasera no nanamparana ny horakoraka sy ny fanalana azy. 

Horakoraka nanerana ny firenena amin'izay tamin'ny fandresena ampahavalon-dalana nifanatrehana tamin'ny RDC. Nivoaka ny trano avokoa ny olona rehetra. Nahamora izany koa ny fametrahana karazana "fan zone" tany amin'ny faritra maro, nisy ihany koa ireo nanomana araka ny herin'ny tenany, toy ny teto Isahafa misy anay, izany karazana "fan zone" izany, tsy nakana vola fa maimaimpoana na dia tsy miankina aza. Maro tamin'ireo nanana fiara no nandeha nitety ny faritra manodidina. Nanao toy izany ihany koa izahay, saiky hiakatra hatrany SabNam, tanàna lehibe indrindra eto amin'ny manodidina anay, saingy nihitsoka tanteraka ny fifamoivoizana raha vao tafakatra an'Antsofinondry fotsiny izahay. Faly avokoa ny olona rehetra, na ny fetim-pirenena vao nankalazaina tsy ampy iray volana akory aza izay tsy mbola nahavoriana olona nihorakoraka tahaka izao indrindra fa taty ambanivohitra. Saika nampiato ny asany avokoa ny mpanendaka sy ny mpamaky trano, tsy maintsy nisy ihany anefa ny namalan-kira. Semban-drahona ihany izany hafaliana izany satria maromaro ny olona maty noho ny fitsahatry ny fony, nalaza ihany koa fa nisy maty noho ny fahatapahan'ny lalan-dra noho ny faharesena tany RDC tany.

Tonitony eo ho eo ihany tamin'ny ampahaefa-dalana satria resin'i Tonizia tamin'io fotoana io. Raha nampiresaka olona maromaro aho talohan'ny lalao dia betsaka ireo olona efa nionona sahady fa efa zava-dehibe ny vitan'ny ekipam-pirenena, ary marina izany. Na izaho aza somary niteny sompirana tamin'ny teo akaikiko ihany raha nisy fiara nanao fanentanana hiaraka hijery baolina tao Anosimiarinimerina tao fa "tsy maintsy mandresy" isika. Sao dia mahafaty olona amin'izany isika, hoy aho tamin'izany, lalao io ka tsy mbola fantatra izay handresy sy resy. Tsoriko kosa anefa, fijeriko manokana, fa niandry hovonoina fotsiny isika tamin'io lalao fahatelo io, rehefa lasa nandany andro nanao vodilaharana avokoa ny lohalaharana sy izay rehetra tokony hamono baolina. Mety hoe nanantena tsindrotsindrona farany toy ny lalao teo aloha angamba, moa nitaky ihany koa ny havizanana, tsy dia nisy loatra ireo afa-nifanolosolo nefa tena ilaina izany amin'ny lalao tahaka itony.

Ny fitsenana 13 jolay ny ekipa no tena fety be da fety be araka ny fomba fiteny ankehitriny. Tsy nisy hafaliana toy izany teo amin'ireo mpitsena. Nanomboka teo Ivato ka hatrany Mahamasina. Nosembanin'ny fikarakarana tsy lavorary ihany ity fitsenana ity na dia nahafinaritra aza ny lanonana ary niafara tamin'ny afomanga izany.

 

 

Nijinja izay nafafiny i Brezila

2014-07-06 @ 21:13 in Spaoro

Taorian'ilay tsy fahafahan'i Neymar milalao dia toy ny misaona sahady ry zareo Breziliana, izay angamba no antony nangatahan'ny Federasiona Breziliana ny hanesorana ny sazy nampiharina tamin'i Thiago Silva hahafahany milalao ka hifanandrinany amin'i Alemaina.

Lahatsoratra iray vao nivoaka vao haingana ao amin'ny SBS "Brazil reaped what it had sown" no misy adikako ho anareo. Britanika ilay ranamana fa monina any Brezila indrindra hatramin'ny taona 1994 ary milaza fa mahafantatra tsara ny baolina fandaka Amerikana Tatsimo. Tim Vickery (jereo ao amin'ny faramparany ny rohy ivelany dia midira ao amin'ny "Tim Vickery's The World Game blog") no anaran'ny mpanoratra ary sombintsombiny nanaitra ahy ihany no misy adikako ho an'ny mpamaky. Tsara raha mamaky ny lahatsoratra nadika fa ho an'izay tsy manam-pahafahana hanao izany no hanoratako sombiny ho anareo.


Lasa fahavalo laharana voalohany eo amin'ny mpijery ilay Kolombiana Camillo Zuniga ary mangataka ny federasiona breziliana ny hanasazy azy henjana (tsy fahazoa-milalao maharitraritra). Ankehitriny moa rehefa hita etsy sy eroa (any an-toerana) ny afisin'ilay ranamana tsy afa-mihetsika dia mivoaka eny am-bavaravarakely ny zavamisy, rehefa mijery malalaka kokoa.


Somary mahavariana ihany, hoy ny gazety miresaka fanatanjahantena iray malaza any Brezila fa i Brezila no imbetsaka namely kokoa noho i Kolombia (31 sy 23), tarehimarika io fa rehefa tena jerena dia efa ao anatin'ny paikady tokoa, io no "paikam-pamelezana": Paika mba tsy hampisosasosan'ny mpifanandrina aminy ny baolina sy ny fitazonana azy ka simbaina amin'ny alalan'ny famelezana hatrany ny lalao. Mitaraina ny mpanazatra Luiz Felipe Scolari fa atao hazalambo i Neymar nefa avy amin'ny ekipany ihany no iandohan'ny hazalambo. 


Raha nisy ny mpilalao nohazaina tamin'iny lalao iray iny dia i James Rodrigez avy ao Kolombia izay asian'ny mpilalao afovoan'i Brezila Fernandinho hatrany mba hanindriana azy, ary tsy manao na inona na inona ny mpitsara amin'izany fotoana izany... Tahaka ny misy torolalana avy amin'ny FIFA arahin'ny mpitsara. Mampidi-doza tena mampidi-doza eo amin'ny lalao anefa izany trangan-javatra izany rehefa samy Amerikana Tatsimo no milalao, raha nisy namely ny ekipa iray ka tsy natao na inona na inona dia hamaly koa ny anankiray ary fantatra avy hatrany hoe iza no ho lasibatra amin'izany. 
Raha lazaina amin'ny fomba hafa izany dia nahazo fampitandremana i Brezila (tamin'ny nilalao tamin'i Chile) - aza mihaza mba tsy hohazaina. Tsy noraharahiany anefa izany fampitandremana izany. Niezaka izy ny namely an'i James Rodriguez tsy ho afa-milalao, ary ny vokany dia i Neymar no tafavoaka tsy hilalao ny Mondial intsony amin'ity andiany ity.


Mampalahelo ilay izy ho azy, ho an'ny ekipany ary ho an'ny fifaninanana. Fa ny mampalahelo sady marina tsy azo idifiana dia nijinja izay nafafiny i Brezila. Voatery nosoratana, hoy ny mpanoratra namarana.

TVM : Efa Fantatra angaha ny tiana omena ny loka?

2012-02-13 @ 01:12 in Spaoro

Mba hoe mandray anjara amin'ilay lalao nokarakarain'ny televizionam-pirenena amin'izao lalao famaranana ny Can 2012 izao [ #afcon2012 sy #Can2012 ny tenifototra be mpampiasa] . Na dia fanontaniana "sampotsampona" aza no re, amin'ny maha-lalao azy dia ny heverina ho tsy ampoizina tokoa ny fanontaniana indrindra fa mba misy loka lazaina fa zaraina.


Atao amin'ny alalan'ny antso finday ny lalao ka mba nihevitra hilalao ny tena. Tsorina aloha fa efa nivonona tamin'izay mety ho fanontaniana rehetra izahay satria nihevitra fa niaraka taminay i Akinator. Diso hevitra ary diso hevitra tanteraka!!! Akinator no miara-dalana aminay ary efa vonona hatramin'ny fikarohana tahirin-kevitra fa ilay olona mandray ny antso kosa, na dia efa tafiditra izao aza! indroa aho ary in-telo ny vadiko ka ny iray aza dia efa nanontany tsara ny vadiko hoe TVM ve izao mandray izay dia eny hoy izy. Avelao ary aho hiditra mivantana fa hamaly ny fanontaniana, andraso vetivety, hoy ilay ranamana somary miroky, fa mbola sahirana. Naharitra telo minitra any ho any mihitsy io resaka io, noho ny fahamehana hamaly angamba fa notapahiny maina fotsiny avy eo. Tena sosotra tanteraka ny vadiko saingy mba nahatsindry ihany.


Izaho koa torak'izany ihany. Nojereko ny fahana lany fa 12 ariary isan-tsegondra ny vola lany... efa tsy latsaka ny in-50 no tratran'ny "messagerie vocale" ary in-droa tafiditra [finday sy fiantso samihafa], tsy voaisa ny nahazo "tonalité libre" fa tsy noraisina, ary tonga dia tapaka avy eo miaraka amin'ny hafatra tamin'ny teny frantsay fa mbola tsy afaka mandray ahy ny olona nantsoiko. Ratsy dia ratsy avy hatrany ny saiko teo anatrehan'izany. Fa maninona no odiana fanina tsotra izao? Dia niara-nieritreritra izahay mivady tamin'ny fandrenesana ireo olona tafiditra ho saika avy any ivelan'Antananarivo hoe tsy natao ho an'ny mponina eto Antananarivo angamba ity lalao ity fa natao ho an'ireo lavitra azy ihany. Fa rehefa izany maninona no tsy nolazaina mialoha?


Ny tsikaritro dia rehefa misy lazaina ho mahazo loka (Antsirabe) na diso aza ny valiny nomeny vao misy Antananarivo ampidirina (tsy tiana hahazo ny loka goavana angamba) ary fanontaniana maromaro no omena azy. Dia lasa koa ny eritreritro hoe mba te-hahazo vola betsaka kokoa ihany koa angamba ny orange madagascar dia atao tratran'ny "messagerie vocale" avokoa ny rehetra, nefa tombatombana izany fa tsy voatery ho marina. Amin'ireny antso fandre amin'ny haino aman-jery ireny dia henonao hatrany fa misy ny olona tafiditra miantso sy miresaka fa ianao tsy tafiditra miantso ohatra fa ny tamin'ity fotoam-pamaranana ity koa malalaka dia malalaka sahala ireny tsy misy miantso ireny ny fotoana ka na izahay saiky tsy hihevitra ny hiantso izany aza lasa niantso fandrao...hay fitaka bevava ilay izy araka ny fijerinay.


Hita ihany koa fa tsy hay loatra izay tena anaran'ny baolina nolalaovina nandritra ity CAN 2012 ity fa raha nanonona ilay olona efa nolazaina hoe tratra aoriana tamin'ny valiny hoe Comoequa no anarany dia namaly ny mpanentana hoe diso raha vao misy Q, dia nihomehy tsiravina ny tena. Hay izany na tafiditra aza dia mety nodisoin-dry zareo ihany. Diso daholo izany ny nosoratan'ireo haino aman-jery an-tserasera tazan'ny maso rehetra. Dia resy lahatra ho azy ny tena fa "tsy milamina kosa ity lalao ampanaovina ny manaraka ny televiziona hijery ny famaranana baolina fandaka ity".


O ry zareo ao amin'ny televiziona malagasy ô! tsy ianareo irery no afaka mampita vaovao fa misy koa ny olon-tsotra afaka mampita izay tsapany sy tsikariny amin'ny alalan'ny fitaovana an-tserasera eo ampelatanany. Teneno rehefa tsy tiana ho azon'Antananarivo ny loka fa manao izay handaniana ny volanay fotsiny ianareo. Soa ihany fa nampientanentana sy nahafinaritra ny lalao famaranana ary nandresy ilay ekipa notohanako ka faly ihany ny tena ary efa saiky najanona ity soratra ity. Saingy, noheverina ho adidin'ny tena ny miampanga ny zavatra tsy mazavazava sy miteny izany. Ajanony ny lalao raha tsy voafehy ny zavatra atao, na ny ratsiratsy kokoa izay ahiahianay, avakavahana ny olona avela ho tafiditra miresaka amin'ny mpanentana sy ho henon'ny besinimaro fa manala baraka ny orinasanareo ianareo.


Dia izay fa nandresy aloha ny ekipa nofidianay e! ooooeeeeeeeeee!!!!!!!


Jentilisa 13 febroary 03:11

 

 

Tsy matahotra sazy marina moa koa!

2010-02-28 @ 19:06 in Spaoro

Nisy ny namana nalahelo mihitsy fa lasa tsy niresaka baolina fandaka intsony ny tena, rehefa nisy ity krizy mbola haharitra an-taonany ity (miala tsiny aho raha mahatezitra anao fa moa tsy mizotra ho amin'izany moa isika izao?). Mpankafy io taranja iray io ny tena ary vitsy (raha tsy hoe izaho irery) ny malagasy mamaham-bolongana resaka baolina fandaka izany nialoha ny taona 2009. Tsorina kosa aloha fa tena tsy any mihitsy ny saina amin'izao fotoana izao, ary zavatra hafa mihitsy koa moa no laharam-pahamehana androany izay. Saingy mba hiserana kely aho amin'ity indray mitoraka ity.


Raha hilaza aho hoe hiserana kely dia aleo mitsotra dieny ety amboalohany fa tsy nijery baolina aho... na dia nisinisy ihany aza ny dokambarotra sy ny fanentanana, ary mety ho eo ihany koa ny fanantenana amin'ireo mpitia fanatanjahantena hoe raha niova ny mpitondra dia hiova ihany koa ny filalaon'ny ekipa malagasy ka handresy ho tafakatra dingana avoavo vao mety ho raraka. Ho diso fanantenana avy hatrany aloha raha izay no ao an-tsaina fa tokony hoe hanala azy amin'ny antonony (am-pahamendrehana) na hiala voly ao anatin'ity fiainana gidragidra ity. Betsabetsaka ny olona nanatrika ireo lalao famerenana dingana savaranonando eo amin'ny sehatra afrikana (izany hoe tsy dingana voalohany akory) teny amin'ny kianjan'i Mahamasina fa tsy anisany aloha ny mpanoratra. Fa matoa nanoratra dia noho ny savorovoro teny amin'ny kianjan'i Mahamasina nandritra ny lalao ny alahady 28 febroary 2010.


Ny resaka eto izany dia miainga avy amin'ny hita na nasehon'ny MaTV nandritra ny vaovaom-panatanjahantena. Nanantena fandresena ny mpijery kanjo ny vahiny indray no nahatafiditra ny baolina voalohany, 8 mn monja taorian'ny fanombohan'ny lalao tamin'ny alalan'ny daka anjoro izay lesoka lehibe ho an'ny Malagasy mandrakariva. Niakatra ny maripana teo amin'ny mpijery ka nampisy gidragidra madinidinika teo amin'ny mpijery vitsivitsy sy ny mpitandro ny filaminana teny amin'ny gradins. Rehefa resy moa amin'ny ankapobeny ny olona tsy mety miaiky fa misy tsy fahaizan'ny mpilalaony na hoe misy lesoka avy aminy fa ailiny amin'ny hafa mandrakariva ny fahadisoana. Dia hitan'ny mpijery tamin'ity mpitsara anjorony Sheisheloà (izany hoe avy amina firenena mpikambana aoamin'ny SADC raha tsy diso aho) izany rihitra izany. Io no nitoratorahan'ny mpijery tavoahangy ka nampiatoana ny lalao mihitsy aloha ka nidiran'ny mpilalao roa tonta tany amin'ny efitra fisoloana akanjo. Ny nampihomehy dia niala teo amin'ny "rihana" voalohany avokoa ny mpijery fa niakatra teny amin'ny "rihana" faharoa. Miala ilay toraka tavoahany io. Rehefa misy ny toraka tavoahangy tahaka ireny raha etsy Mahamasina dia misy amany izay ao anatiny.


Rehefa tonitony vetivety ny mpijery dia niverina teny ambony kianja indray ny ekipa roa tonta sy ny mpitsara. Vao nitsoka ny kiririoka fanombohana indray ny mpitsara dia velona indray ny toraka tavoahangy andiany faharoa. Manala ny fony eo ny mpijery raha ny fieritreretana izany satria resy daholo na hoe raraka daholo izany ny solontena anankiroan'ny Malagasy eo amin'ny sehatra Afrikana. Niato atsasak'adiny mihitsy indray aloha ny lalao vao novitaina hatramin'ny farany. Mazava loatra fa efa maro ny mpijery no nody teo anelanelan'izany fotoana izany. Nifarana tamin'ny isa iray noho ny telo izay faharesen'ny tompontany moa ny lalao. Koa aiza indray no tiako ahatongavana sy nahatonga ny lohateny?


Voalohany: tsy hoe eto amintsika ny lalao no atao ka hoe manana ny fiandrianam-pirenentsika isika sady masi-mandidy eto amin'ny tanintsika. Tsia, rehefa lalàna iraisam-pirenena dia lalàna iraisam-pirenena. Io lalàna iraisam-pirenena io no hajaina rehefa iraisam-pirenena ny lalao. Rehefa resy angaha na tsy mbola tonga amin'ny fetra aza ny lalao dia hoe ravao any io? Lalàna na fifanarahana mitoetra eo amin'ny mpifidy ny ny nofidiana ny fe-potoana voasoratra. Tsy hoe tsy tianao ny nataon'ny mpitondra dia avy koa ianao hoe ravao any io na hoe ataovy izay haharava io? Rehefa naharava ilay lalao tsy tamin'ny fotoana ianao dia efa manampoiza sazy mifandraika amin'izany. Tsy maintsy fantarina ianao nandrava lalao io ary samborina sy saziana rehefa avy eo.


Faharoa: satria manko atao litania mandrakariva amin'ny haino aman-jery ny hoe aleo voasazy, aleo voasazy toy izay hiverina amin'ny efa nifanarahana tsy an-tery, dia hain'ny mpijery tokoa ny mampihatra izany eo amin'ny sehatry ny fanatanjahantena, fa tsy eo amin'ny sehatry ny politika irery ihany. Fantatra izao fa mahavoasazy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny mandika lalàna ka manakorontana ny fizotry ny lalao dia mbola natao ihany izany ho fanalana ny fo feno fahatezerana. Tsy mampiova na inona na inona anefa izany natao izany fa mbola fanampiana ny fanorisorenana ny tena ihany... indrindra raha tsy mankasitraka ny gidragidra tahaka ireny izay nanatrika teny. Dia manampoiza ary ho voasazy fa aza ny hafa no endrikendrehana ho anton'izany sazy izany avy eo fa kitoatoa nataonao ihany no niaviany.


Farany: Eo amin'ny resaka sazy dia lasa lavitra avy hatrany ny saina. Hakatona ve izany ny kianjan'i Mahamasina? Sa ny ekipa no handoa onitra noho ny tsy mety nataon'ny mpijeriny? Dia niitatra ny eritreritra hoe sao dia nisy nanozona kosa tahaka ny ozona nataon'i Kristy tamin'ilay aviavin'i Betania maina vetivety teo hoe :"Rehefa akatonao amin'ny hetsiky mpitondra fivavahana io kianjan'i Mahamasina io dia aleo hikatona mihitsy (mandritra ny taona maro!)". Dia ho inona izany no hampiasana azy sisa? Fa aleo tsorina ny resaka: misy dia misy ny maniry ny hikatonan'ny kianjan'i Mahamasina tsy ho azo anaovana na inona na inona... sady tsy tokony hanaovana matso amin'ny 26 jona ihany noho ny didim-pitondrana izay navoaka... sa ho "exceptionnel" amin'io fotoana io? Izay tiany atao ihany io ka!!!



jentilisa, 28 febroary 2010 , Antananarivo 21:12

Efa nosiahan'ny Malagasy ihany koa ny La Marseillaise

2008-10-19 @ 18:06 in Spaoro

Nanana ny akony nahatonga ny filoha Frantsay handray fanapahan-kevitra hanajanona avy hatrany ny lalao ny fisiahana ny La Marseillaise hiram-pirenena Frantsay mandritra ny lalao iraisam-pirenena iray ilalaovan'ny ekipam-pirenena Frantsay amin'izay mifanandrina aminy (any amin'ny taniny).Izany dia tohin'ilay toe-javatra nitranga tao amin'ny Stade de France nihaonan'ny ekipam-pirenena Frantsay tamin'ny ekipam-pirenena Toniziana izay nozanahin'ny Frantsay taloha tamin'ny talata 14 oktobra 2008 lasa teo.

Ny tena tsy levon'ny vavonin'ny Filoha Frantsay sy ireo antoko lehibe UMP sy PS tamin'ity fisiahana ny hiram-pirenena Frantsay ity manko dia ny karazana famadihana ataon'olona mizaka ny zom-pirenena Frantsay ihany. Miharihary eo imason'ny rehetra manko fa ireo mpijery Arabo nanatrika ity lalao ity dia mizaka ny zom-pirenena Frantsay ny ankamaroany. Tena manafintohina tokoa raha ianao izay nitady ny zom-pirenena Frantsay ka nahazo izany no misiaka ny hiram-pirenena Frantsay mandritra ny fihaonana ara-panatanjahan-tena iray. Eritrereto anie ka ny Tanindrazanay Malala no anaovan'ny Malagasy toetra toy izany e!

Ny teto Madagasikara moa dia tsy nahita ity lalao ity, sy ny Champion's league ihany koa, satria toa misy tsy fifankahazoana lalina eo amin'ny CFI sy ny TVM, na eo amin'ny mpitondra Frantsay sy ny mpitondra Malagasy ihany koa saingy tsy mivandravandra loatra izany; fa na izany aza dia tonga taty ny akony noho ny vaovaon'ny TF1 alefan'ny televiziona sasantsasany eto an-toerana. Raikitra ihany koa ny adi-hevitra eo amin'ny mpinamana na mpihavana ny amin'ny mahamety na tsia ny fihetsika nataon'ny Arabo nisiaka ny hiram-pirenena Frantsay ity. Eken'ny rehetra manko fa mafana ra ny Arabo. Etsy andanin'izany, raha misy ekipa Malagasy tonga any amin'ireny tany vaventy ireny dia hotohanan'ny Malagasy monina any ireny, eny fa na dia mizaka ny zom-pirenen'io firenena io aza izy. Hafa manko ny akaikin'ny fony raha mbola teto Madagasikara ihany koa no nahalehibe azy. Hafa mihitsy indray ny sain'ny ankizy raha tsy mba nohalehibiazina teto Madagasikara izy. Fa eo amin'ilay fisiahana ny hiram-pirenena mihitsy no mampisara-kevitra ny maro.

Fa olona efa retirety kosa no nilaza, izaho tsinona tsy nahita, fa efa nosiahan'ny Malagasy ihany koa ny Hiram-pirenena Frantsay raha sambany mba nisy ekipa avy any Lafrantsa mihitsy fa tsy avy ao La Réunion nandingana ny kianjan'ny Mahamasina tamin'ny taona 80 tany ho any. Mbola nisy tavela izany ny fankahalana Frantsay nandritra io fotoana io na dia efa tanaty fahasahiranana aza ny Malagasy. Vao nanomboka hoy izy ny La Marseillaise dia nisy olona maromaro nisiotsioka ilay hiram-pirenena. Nifampijerijery, hoy izy, ireo niaina tsara izany Fanjanahantany izany. Voakapokapoka karavasy sy mety higadra mihitsy izay mbola tratra mihetsiketsika mandritra ny La Marseillaise, na izay lehilahy tsy manala satroka ihany koa. Tsy azo natao ny miresaka fa manaja tsara ilay hira ihany no zava-dehibe. Ankehitriny (tamin'io fotoana io) dia toa tsapa tokoa fa tsy voafehin'ny Frantsay hay ny Malagasy ka azo natao na dia ny nanompa ny hiram-pireneny La Marseillaise aza.

Fandalovana ihany anefa ilay vanim-potoana satria nandritra ny Lalaon'ny Frankôfônia notontosaina teto Madagasikara ka nanao ny famaranana tamin'ny basket ny Frantsay sy ny Senegaly dia naka Frantsay avokoa ny 98%n'ny mpijery Malagasy. Tsotra ny antony, Ny senegaly manko no nandresy ny Malagasy tany amin'ny dingana talohaloha tany. Izaho kosa no tao anatin'ilay 2% nanohana ny Senegaly satria fiaraha-mientana Tatsimo sy Afrikana ary samy nozanahin'ny Frantsay no tao an-dohako. Izaho izany ilay nihoraka mafy rehefa nandrombaka ny amboara ny Senegaly fa toy ny nivoaham-paty kosa ny ankamaroan'ny Malagasy. Na ireo namako niara-nijery ny lalao tamiko aza lasa nisy niavona tamiko rehefa nody, nefa aho amin'io mbola nanadrohadro ihany.

Ny tena nahavariana ahy dia ny tamin'ny lalaon'ny nosy notanterahina tamin'ny herintaona teo (Aogositra 2007). Tena tsy menatra ny manohana La Reunion mihitsy ireo vehivavy Malagasy manambady Frantsay na dia Malagasy izao aza no ifanandrinany. Tena babon'ny Frantsay tokoa, hoy aho, ny fo amam-panahiny ka tsy nanafina mihitsy ny fankamamiany Frantsay ry zareo. Dia hoy aho namarana hoe, tena hafa mihitsy ny Malagasy mizaka zom-pirenena Frantsay raha ny tahaka azy ireo. Miala tsiny aminareo vehivavy manambady vazaha aloha fa tsikaritra sy nivandravandra mihitsy io tamin'ny lalaon'ny Nosy ranomasim-be Indiana farany teo, ka tsy vitsy ny bandy no letra sy nanompa azy ireny mihitsy aza saingy safidy io ka tsy ifanerena no tena marina.

baolina fandaka: Misento indray ny Barea fa nandresy androany

2008-09-07 @ 14:29 in Spaoro

Araka ny fantatry ny mpanaraka baolina fandaka dia androany alahady no nanaovana ny lalao miverina teo amin'ny Barea sy ny Zebra Botsoaney. Efa nanantena handresy mihitsy ny vahiny raha tamin'ny talata teo dia efa tonga haka ny hafanana gasy. Vao tamin'ny alarobia ihany koa no resin'ny Japan Actuel's roa noho ny aotra teo Mahamasina ihany ny Barea raha nanao fitsapana.

Efa nampanatena rahateo sady be fanantenana ireo ekipa ireo satria na dia resy aza amin'ny lalao fitsapana no mandresy izy amin'ny lalao tena izy. Tamin'ny fidirana voalohany no tafiditra ny baolina ka nandresen'ny Malagasy iray noho ny aotra... tsy niova intsony io isa io ka nampientanentana ny fanafihana nataon'ny vahiny sy ny vali-bontan'ny malagasy. Samy tokony ho nahatafiditra baolina rahateo na ny andaniny na ny ankilany.

Voalohany ao amin'ny sokajy misy antsika ka manana isa fito noho izany ny Ivoariana. Faharoa isika manana isa enina. Fahatelo manana isa dimy ny Botsoaney ary fahaefatra farany manana isa efatra kosa ny mozambikana.

 

Resy 3 noho 0 tany Maputo indray ny Barea e

2008-06-22 @ 16:30 in Spaoro

Ho anareo mpankafy baolina fandaka ary mitady vaovao momba ny valin'ny lalao tany Mozambika dia resy telo noho ny aotra tany Maputo ny ekipam-pirenena malagasy. Tsy hiresaka zavatra betsaka intsony aho fa endriky ny fahaizan'ny Malagasy ihany izany tsy mahafaty baolina izany mihitsy e! Moa tsy efa nolazaiko moa?

Amin'ny fifidianana federasiona indray mifankahita angamba!

Fety...fety...fety...soa fa teo boay kely (TGV)

2008-06-21 @ 09:03 in Spaoro

Vao nanomboka ny ampahaefatry ny famaranana dia efa nitaintaina ny mpankafy baolina fandaka rehetra teto Madagasikara hoe hahita ve? handefa ve ny afnex hampitan'ny tvm ny lalao antenain'ny maro ho hita dia ny Paoritigey sy ny Rainiboto. Nifanontany ny rehetra, ahoana izy ity? Nanana namana mpanentana tao amin'ny TVM dia nanontany tany, samy miandry isika fa na izahay aza tena tsy mahalala mihitsy. Toa manam-panantenana daholo ihany ny rehetra. Tsy ao anatin'ny fampitana mivantana halefan'ny afnex tsinona nefa...

Fantatra fa misy fampitana mivantana ny lalao ihany ery amin'ny foibe ara-kolontsaina frantsay malagasy ery Andavamamba saingy saropady ny lalana mankeny. Re ny maraina ihany koa fa handefa mivantana ny lalao amin'ny efijery midadasika ery amin'ny tany malalaka (esplanade) Analakely ny Kaominina miaraka amin'ny telma, ary tafiditra ho mpiara-miasa amin'ny fety ihany koa ny radio madagasikara sy ny tvm (amin'ny dokambarotra mameno ny takelaky ny gazety no ahitana izany). Hiara-miasa mandritra ny telo taona manko ny telma sy ny kaominina Antananarivo renivohitra. Nitady namana hiara-mijery fa milaza kamo na reraka daholo...tsy misy namana hiara-mijery koa iza koa no ho jihitry ny hatsiaka irery any?

Tao an-trano, ora fanombohan'ny lalao, navadika tvm ny fahitalavitra sao handeha ihany ny baolina. Famerenana ny fandaharana hebdomas no hita... kivy dia navadika tany amin'ny mbs hijerena ilay fandaharana manokana Isiraely ny Palestina enimpolo taona nifanao herisetra. Kelikely teo niantso ahy razandry, jereo hoe fa toa mandeha tvm hoe ilay baolina. Haingana dia haingana ny namadihako azy, io tokoa eny...oadray...toa niova tampoka ny tontolo hahita baolina. Baolina alefan'ny TF1 no notakonana TVM no hita, fa nanafika indrindra ny rainiboto tamin'io fotoana io ary nahatafiditra ny baolina voalohany.

Lasa ny eritreritra, naninona no nandefa ity baolina ity indray ny TVM? inona ny fifanarahana? lalampoza sa fifanarahana any ambony be tany? Ny ao an-tsain'ny rehetra dia hoe nandefa mivantanany lalao ho hitan'ny be sy ny maro i Andry Rajoelina dia tsy manaiky ho gisitra amin'izany ny eo amin'ny fitondrana ka handefa ny ambin'ny lalao rehetra. Asa hanao ahoana re ny any amin'ny firenen-kafa any? Na inona na inona dia izay ny ao an-tsain'ny rehetra: Soa fa teo i Boay kely!

Barea Madagasikara: Izay tsy itovizako hevitra amin'ny rehetra

2008-06-18 @ 10:01 in Spaoro

Raha miteny hoe rehetra aho eto dia izay naneho hevitra ka reko na natrehiko mivantana ny nilazany azy. Matoa koa manoratra dia hilaza izay tsy fitovian-kevitra izay. Angamba izaho no tsy maharaka ny resaka baolina mihitsy na andeha mody atao hoe manivaka koa angamba aho ka izay no tsy itovizako amin'ny mpitia baolina fandaka hafa eto an-toerana (Madagasikara).

Na izany na tsy izany dia misy  ny ankasitrahana tamin'izay mety tsy ho tsikaritry ny besinimaro. Masiaka dia masiaka manko aho amin'ny resaka toerana ho an'ny mpijery. Ny hitako tamin'ny fahitalavitra aloha dia feno ara-dalàna ny fijerem-baolina. Tsy misy olona mijorojoro intsony eny amin'ny lalantsara, fahazarana iray mba voailika aloha izay tamin'iny indray mitoraka iny ary irariana ny hitohizan'izany fanatsarana izany. Ny faharoa dia tsy misy midongy mipetraka intsony koa eny amin'ny tohatra izay nolokoina fotsy ho hitan'ny mpanaramaso. Dingana efa tsara izany ho amin'ny fampivoarana ny fanajana ny mpijery sy fifanajana ihany koa. Ny tery ambony tery no tsy hitako loatra hoe mbola misy mijoro ve sa tsia? Efa tsy nahitana tongotra miraviravy koa moa izany ny gradin. Iny aloha efa matetika sorohina foana hatramin'izay afa-tsy raha tena hipoka ny kianja.

Ankoatra izay kosa dia nampalahelo tokoa izany fanimbana nataon'ny mpilalao Mozambikana tao amin'ny toerana fisoloana akanjo tao Mahamasina, ny seringue hita tao ihany koa ary ny fanimbana nataony tany amin'ny trano fandraisam-bahiny nivahiniany. Hita tokoa fa entina hanindriana mialoha ny fihavian'ny Malagasy any aminy ny zavatra ataony. Mampalahelo fotsiny dia hoe fa naninona azy ny Malagasy no ny fananan'ny Malagasy no potehiny nefa Afrikana Tatsimo (mpitsara) no nampalahelo azy tamin'ny fitsarana?

Ny hevitra iray lehibe tsy iraisako hevitra amin'ny maro indray dia ny nanakianana ny mpanazatra tamin'ny safidy hilalao tamin'ny alahady lasa teo. Nolazaina ary fa maro ireo mpilalao no tsy napetraka tamin'ny toerana mahazatra azy. Tsy tokony hoterena ho "polyvalent" ny mpilalao fa aiza kosa sanatrian'izany ny mpiandry tokonana no ho lasa mpanafika sns... Dia hoy aho hoe tena taraiky be koa izany fijerem-baolina malagasy izany. Izany hoe tsy mahay afa-tsy ny mandaka amin'ny tongotra ilany ve izany ireo nofantenana ho amin'ny ekipam-pirenena ireo? Eto izany no tena ahitana ny mahatratra aoriana antsika Malagasy hoy aho. Ny tena mpilalao tsy mifidy toerana ametrahana azy izany fa hainy avokoa io na dia misy aza ny toerana tena manavanana azy tokoa. Raha any amin'ny ilany havanana hatrany no misy anao dia mora ambenana any amin'ny havanana ianao izany fa ilaina ihany ange indraindray ny mivadika any amin'ny ilany havia mba hahafanina izay mpifanandrina miambina anao e!

Manakory moa ny tombony lehibe azon'ny mpilalao iray any amin'ny fiarovana ankavia manafika hatrany amin'ny ilany havanana ohatra? moa tsy very avy hatrany ireo izay mpieritreritra hoe izaho indray dia aty ankavanana foana nefa ho tratran'ny be noho ny vitsy raha misy ny fanafihana ataon'ny mpifanandrina amin'ny tena amin'izay lafiny izay? Inona moa indraindray no ahitana ny mampahay an'i Voavy Paulin? moa di ny fivadihana elatra indraindray eny? Ilaina mandrakariva araka ny fiheverako ny mampiomana ny mpilalao rehetra amin'ny toerana rehetra fa tsy toerana iray monja. Nivandravandra anie tamin'ny alahady fa tsy nisy nilana azy mihitsy ny afovoany (demi) rehetra. Ireo anefa no itarafana ny sady fahaiza-manafika no fahaiza-miaro... izany hoe ireo ve no itarafana fa asa tokana ihany no tadiavin'ny mpilalao malagasy? Tsy ny lohalaharana ihany no ilaina hamono baolina fa ny mpilalao rehetra eny fa na dia ny mpiandry ny tokonana (mpiandry tsatoby re!) aza. Sa tsy mbola tadidin'ny maro fa ny mpiandry tsatokazo hatrany no naharesy ny club M tamin'ny fotoana nifanandrina tamin'ny Ezipta rehefa natao ny tirs au buts?

Na dia havanana kokoa aza ny mpilalao tsirairay...ilaina hatrany ny mianatra mandaka sy mitifitra amin'ny tongotra havia... eny fa na dia handreraka aza izany. Ny mpilalao miezaka amin'izay no tena tadiavin'ny mpanazatra araka ny fiheverako azy. Misy koa anie ny lalao miverina hatehina ka mba paikan'ny mpanazatra ihany koa ny soamry mamitaka ny mpifanandrina amin'ny tena izay tsy tena mahalala ny ny mpilalaon'ny tena e! raha ekipa malaza isika ary fantatra any ivelany tsara avokoa ny mpilalaontsika dia mety ho hadalana izay fitaka izay saingy... iza amin'ny mpiondana baolina fandaka no tsy mahalala fa mpanafika ny toeran'i Essien nefa naninona izy no lasa tany amin'ny fiarovana rehefa tratran'ny karatra mena ny kapiteniny tamin'ny CAN 2008 iny? Fahadisoan'ny mpanazatra ve izay sa fanapahan-kevitry ny kapiteny vaovao sa... fanamarihana fa tena mpilalao goavana tokoa i Essien? Ambava homana, (ny maso mamaky) ampo mieritreritra, tompoko.

 

Barea sy Mamba: Nampiana ny Malagasy mba ho ady sahala 1 noho 1

2008-06-15 @ 16:01 in Spaoro

Angamba noho ny fahalalan’ny mpitondra fa mavesatra amin’ny mpitia baolina fandaka ny tsy fahitana ny lalao rehetra amin’ny Euro izay efa zary fahazarana, sa ny Mozambikana ve no nangataka ny fampitana mivantana ny lalao, izany hoe nividy tany amin’ny CAF ny lalao, fa dia sambany alahady roa misesy no nahita mivantana ny lalao tamin’ny fahitalavitra indray ny lalao iraisam-pirenena tahaka itony. Noho izany, na dia tsy nanatrika ny lalao teny Mahamasina aza aho mijery amin’ny fahitalavitra ihany.

Raha ny endri-dalao dia manahirana ny milaza azy satria hita fa tsy mahay na inona na inona araka ny filaza ny vahiny fa isika koa tena tsy hanino-tsy haninona, tsy mahay manararaotra sa nisozy araka ny fiteny ka nataon-kanirina vao nampivandravandra. Ny mpitantara amin’ny televiziona aloha dia gaga tamin’ny fiovan’ireo niditra voalohany ho an’ny ekipa malagasy. Tamin’ny voalohany ihany no somary nivatravatra ny vahiny fa avy eo hita ny tsy fahaizany. Nahagaga ihany noho izany raha vitsy ny baolina tafiditr’izay nifanandrina tamin’ny Mozambikana hatramin’izay nisian’ity fifanintsanana amboara eran-tany sy amboara Afrikana ity.

Tamin’ny voalohany ihany koa no nety ery ny zavatra nataon’ny Malagasy na dia tsy nahomby hatramin’ny farany aza izany. Tsikaritra avy hatrany fa “sardine” ihany ity mpiandry ny tokonan’ny vahiny ity. Saingy niova ny toe-draharaha raha nahafaty baolina tamin’ny tampoka ihany ilay lohalaharan’ny vahiny.

Hita amin’izay fa mivoraka hay ireto mpilalaontsika ireto rehefa nahafatesana baolina. Mivandravandra amin’izay ilay noheveriko ho efa voasoratro teto tamin’ny Asabotsy hoe tsy ananan’ny malagasy anie izany mpampidi-baolina izany ary mbola tsy nahatafiditra mihitsy. Ny tombatombako moa efa noresahiko tamin’ireo mpiresaka amiko ihany hoe raha amin’izao ho’aho na tsy misy mitoko io lalao io na resy iray na roa sy donga isika. Tonga dia tsy miresaka izay itenenako izany satria mahatezitra ihany izany milaza faharesena ho an’ny Malagasy izany nefa Malagasy ny tena.

Vao nahatafiditra manko ny vahiny dia niezaka ny hamaly haingana isika saingy mahavariana fa lasa ambonin’ny tolàna na tsy voadakan’izay tokony handona fotsiny dia any anaty harato ny baolina. Raha natambatra ny baolina tokony ho tafiditry ny Malagasy dia valo be izao fa noho ny tsy fahavononana hamono ‘inconsciemment’ eo amin’ny Malagasy dia rava maina fotsiny izany. Izany baolina teteniko izany anie ry mpamaky ka tsy hilana fahaizana manokan’ny mpamono baolina fa fahavononana ao an-tsaina tsy misy fihatsaram-belatsihy fotsiny. Izany, tompoko, no antsoina hoe miandry vonoina ireto nankaty amin’ny tanintsika ireto fa raha aotra ny vahiny miiba mihitsy ny antsika.

Velona amin’izay ny fifanilihana eo amin’ny samy Malagasy. Tsy manana afovoany isika raha ny fijery azy. Ilay Bôlida mba dokafana ery no tena sampona satria nanolotra mivantana ny baolina amin’ny vahiny foana. Olona roa na telo ihany no mpilalao mbola mavitrika teo amin’ny Malagasy dia Voavy sy Sedera, ny ankoatr’izay efa kivy angaha fa mandehandeha eny ambony kianja fotsiny no ataony. Baolina tokony ho azony fa mandalo eo anoloany aza manko dia jereny fotsiny. Efa in-telo nanova mpilalao mihitsy ny Malagasy ary niverina tamin’ireo nandrafitra izay nihaona tamin’ny Elefanta saingy toa tsy nanova na inona na inona izany fanovana izany. Niasa irery ireo boay tena nilalao tamin’ny fony sy ho voninahi-pireneny ireo hany ka reraka ihany koa nony farany satria sady izy tenany no mpanolotra no tolorana (mipasy sady pasiana). Izay mpiara-milalao tsy hita tamin’ny fahitalavitra izany niafenany.

Efa hifarana ny baolina ary tsy antenaina intsony ny hahatafidiran’ny mpilalao malagasy (saiky tsy nahavaky atody mandraka ity androany) baolina no nahazo penalty tampoka avy amin’ny mpitsara anjorony tamina fifanjevoana avy amin’ny daka anjoro ny malagasy. Velon’hiaka tampoka teo ny mpijery malagasy efa nanisy olona ny lalam-podiana. Ny mpitsara anjorony no nanolotra io fanomezana tena fanomezana ho an’ny Malagasy io. Efa nahazatra ny malagasy anie izany nahazo penalty tanaty lalao izany fa tsy nahatafidi-baolina e! Efa tezitra nitangorona tery amin’ilay mpitsara an-jorony ny Mpilalao vahiny saingy efa vonona ny handaka ny hanindrona ny baolina i Mamisahondra Guy Hubert ary nahatafiditra izany. Teo vao tena nila vaniny tamin’ilay mpitsara an-jorony nahazoan’ny Malagasy isa sy nahavakisany atody ny Mozambikana.

Efa tafajanona ela ny lalao ary efa niditra an-tsehatra mihitsy ny mpitandro ny filaminana Malagasy vao nanaiky hilalao ihany ny vahiny saingy enjik’olona no tena nataony. Tsy nisy baolina vanona intsony ka noravan’ny mpitsara amin’izao ilay baolina. Ho hita eo izay tena fanapahan-kevitra farany fa tahaka ny tsy vita hatramin’ny farany iny lalao iny. Raha ny fahita ny zavabitan’ny Malagasy hatramin’izao hitarafana ireo lalao telo izay miandry azy (ny lalao miverina rehetra) dia ahiana ho io baolina fanomezana nomen’ny mpitsara androany io no hany baolina ho tafiditry ny malagasy afa-tsy hoe fanomezana hafa omen’ny Mpitsara satria manenjik’isa any ho any ny Malagasy. Mbola mampieritreritra ihany hoe nampiana ve ny Malagasy tamin’ity fihodinana indray mitoraka ity sa dia sanjila fotsiny fa tsy mety resy aloha ny Malagasy hatramn’izao. Mba diso fanombanana aho izany tamin’ity indray mitoraka ity nefa izay rehetra nahita ny lalao dia hanaiky fa tokony ho marina izay nolazaiko satria fetin’ny ray androany. Mba tsy tonga dia nody koa lahy ny mpijery tavela nefa tena mamirifiry anie androany ary nanerika mihitsy aza nandritra ny fiatombohan’ny lalao.

Voamarina androany ihany koa ny fomba fijeriko amin’ny baolina malagasy fa mety ihany izay atao amin’ny fotoana tsy anantenana azy intsony nefa mamorika amin’ny fotoana iandrandrana azy indrindra. Tsy nody tampim-pahanginana angamba ny Malagasy nijery ny lalao teny an-toerana androany e! 

Euro 2008: izany ny ekipa manana mpampidi-baolina...montsany aby ny matanjaka

2008-06-14 @ 12:56 in Spaoro

Sarotra ny manatena fandresena ho an'ny ekipantsika fa ny zavamisy no manambara azy. Ao amin'ny filaharan'ny fifa aloha ny ekipa malagasy anisan'ny mitarika amin'ny fampidiram-baolina saingy ny Dakôma no tena nahazoana ny isam-baolina tafiditra tany amin'ny lalao savaranonando.

Fa rehefa anaty vondrona kosa dia jereo fa tsy mbola nahatafiditra baolina mihitsy isika hatramin'ny fifanintsanana tamin'ny 2006 aza... tena mbola tsy nitoko mihitsy anie e! fa jereo ny laoranjy omaly. Manana mpilalao mpampidi-baolina dia montsany aloha ny Italiana tompondaka erantany farany, omaly indray ny Frantsay izay nanatena fandresena omaly ihany koa no montsana tamin'ny elanelan'isa telo be izao. Ny antsika Malagasy tsy mahita mpampidi-baolina aho. Koa raha tsy ananana ny olona mpamidi-baolina azo antenaina ve ny handresy sa sendra ny ratsy vintana hatrany isika tamin'ny lalao teo aloha?

Samia mieritreritra! mahatsiaro an'i Abel lasa any Frantsa aho. Naninona angaha ilay zalahy iny no tsy nantsoina...sa efa tsy mpamidi-baolina intsony koa? NY laoranjy Holandey sy ny Paortigey izay manana mpanafika malaza aloha izao no hita misongadina amin'ny dingan'ny famaranana Euro 2008...

Hanova zavatra ve?

2008-06-13 @ 09:59 in Spaoro

Nitamberina tany amin'ny fahazazana ny saina nandinika ity tsy fahitanay mpitia baolina ny mivantana avy any Eoropa ity. Nitamberina tahaka ny ahoana moa? Ka tamin'izany vitsy ny manana fahitalavitra ary noho ny fisakaizana eo amin'ny samy ankizy dia mijery eo amin'izay manana fahitalavitra ny rehetra. Izay rehetra nahaliana ny ankizy dia niaraha-nijery avokoa. Tsy ambakan'izany ny lalao baolina fandaka isaky ny alahady tamin'ny enina ora nijery ny Rainiboto izay nalaza tamin'izany fotoana izany. Ny sary nahetsika tahaka ny bouba sy Tom sawer moa no tena fiady hevitra sy nifampitantarana tamin'izany fotoana izany. Azo lazaina fa mbola tsara ny fiaraha-monina tamin'izany fotoana izany satria nifampiditra an-trano soa aman-tsara ny rehetra. Nisy ny fifampitokisana ary tsy mbola tratran'izany zavatra very izany aloha ny tao an-trano tamin'izany fotoana.

Ankehitriny, azo atao ve ny manonofy ny tahaka izany? Sarotra ny hino satria izahay tamin'izany mitovitovy avokoa ny saranga na dia samihafa aza ny fihaviana sy foko avokoa aza. Ny ankamaroan'ny olona manana ny tvf na parabole na canalsat amin'izao fotoana izao any amin'ny saranga ambony (mba tsy ilazana hoe miaingitraingitra mitandro ny fahadiovan'ny trano kokoa noho ny fanajana ny mahaolona, miala tsiny raha misy ny voatohina) sarotra atonina ihany.Olona manana fanetretena goavana na tena mpinamana akaiky tsy mifampihafahafa matoa tafiditra any an-tranon'olona hijery baolina fandaka izany.

Fa mahagaga lehiretsy fa eto Antananarivo tsy hita firy ny bar na restaurant na pub na club manao tolotra ijeren'ny olona Euro 2008 a! nefa any amin'ny faritany ve izany tsy betsaka ny mampilendalenda ny olona hijery baolina any aminy? Tena tsy maintsy bitsika sy toho-tsofina ihany izany vao mety hahalala izay toerana mety hahitana baolina k'ty. Video iray ihany izao no fantatro (avy amin'ny TF1 ny asehony olona) fa sady lavitra anay nefa tsy manisy soratra amin'ny tabilao an! Mahery ity fitiavam-baolina ity lehiretsy fa mampirediredy.

Euro 2008: Pour la désobeissance civile contre UEFA

2008-06-10 @ 21:27 in Spaoro

Je me permets d’ecrire en français même s’il y aura des fautes d’orthographe et des fautes de grammaire et même si la langue française n’est vraiment pas mon fort. Peut être que c’est voulue ainsi mais je me demande aux amis africains au sud du Sahara si vraiment ils aussi n’ont droit qu’à huit matchs durant cet evenement qu’est l’euro 2008. Nous sommes tous témoins que l’afnex qui a droit de diffusion pour l’euro 2008 pour toute l’afrique sub saharienne n’a pas acheté que le nombre déjà cité ci-dessus (sa population n’atteint-elle pas le nombre d’un milliard d’habitants?) . L’afrique d’où viennent des élites actuels de ce sport roi. Si c’est vrai...alors les Africains sont donc condamnés d’avance. Malheur à toi Pauvreté.

Je me demande s’il n’y a vraiment pas de réactions de la part des africains de cette injustice flagrante de monople qui ne connait que de bénéfices et peut être trop de bénéfices aux détriment de l’amour des fans de football qui n’a plus rien à faire qu’écouter le résultat de tout match en dépit de l’avancée incroyable du technologie et de la communication en ce moment. C’est vrai que l’evenement se passe en Europe et que je suis en Afrique mais qui ne connait pas que le lien entre l’Afrique et l’Europe est tres étroit par l’histoire commmune entre eux-mêmes. Et l’amour de football n’a pas de frontières ni de limites.

Maintenant je comprends tres bien pourquoi les hommes et les femmes des pays en développement sont friand de produits dit de piraterie à bas prix qui viennent de l’Asie en général et de Chine en particulier c’est parce que beaucoup de marques accollées à ces produits sont européennes ou américaines. Les Chinois savent que l’Afrique aime l’Européen ou l’Americain du Nord et les Chinois jettent l’hameçon là dessus. Maintenant je voudrais tant que CCTV diffuses illégalement et gratuitement pour l’Afrique et pour l’Amérique Latine tout les matchs de cet Euro comme une révanche à l’endroit de l’Europe et de son boycott de flamme olympique qui vient de se passer quelque mois auparavant. Je sais une chose, j’ai peur de la Chine et de ses produit mais c’est surtout l’Europe qui a peur d’elle et est incapable de faire plier cette grande nation de l’empire du milieu aussi serais-je totalement du côté de la Chine . Connaissez-vous une entreprise Suisse (où se tient l’euro 2008) de fabrication de ciment dénommé Holcim chez vous? Ici à Madagascar cette entreprise n’a céssé d’augmenter le prix de ses produits de cinq fois plus chère qu’il y a six ans mais qu’elle vient de baisser les prix de 10 à 15% parce qu’une société chinoise vient lui concurencer  partir du mois suivant. Ceci pour vous dire que l’Européen aussi est très avide d’argent et que le monopole de quoi que ce soit (et même de retransmission en direct d’un match de football) n’a de bénéfique qu’à celui qui le detient.

Autre chose, parce que les télévisions nationales africaines ne peuvent pas se permettre de faire le ‘pirate’. J’appelle à la désobeissance civile de1 cette manière suivante: que tout restaurant, bar, salle de jeux ou salle vidéo de toute l’Afrique sub saharienne fassent promotion auprès du public qu’ils ont la télévision satellitaire et qu’on pourrait suivre chez eux sur écran géant ou sur écran (de) très large (dimension) toutes les retransmissions en direct de l’euro et que tout pouvoir public ferment les yeux de tout acte illegale de ces rétransmissions auprés du public. Pourquoi nous laisser à notre faim? Peut être que l’Européen sait pertinemment que l’Africain ne pourrait plus se passer de leur rencontre sportive mais il veut séparer le riche du pauvre. Peut être que l’Européen ne veut plus du football comme un sport masse mais un sport typiquement européen et réservé aux riches. Maintenant j’ai des soucis que même si le mondial se passera en Afrique en 2010, l’Africain n’aura droit de rétransmission que de l’ouverture et de la finale de cet evenement sportif. Autant agir dès maintenant!

Ahoana isika eto Madagasikara? Aiza avy ny toerana ahafahana mijery ny fampitana mivantana ireo lalao rehetra ireo e? Mbà milazà ry zareo a! 

Ndao Hihazakazaka: Gidragidra notadiavina

2008-06-09 @ 18:24 in Spaoro

Efa nanoratra teto aho fa handray anjara amin’ny hetsika “Ndao hihazakazaka” (Alahady maraina ningitrika fiangonana sy sekoly alahady). Mazava loatra fa nahita ny ankamaroan’ny zava-nitranga tamin’io hetsika io aho. Marihina fa raha ny fandraisana anjara aloha dia tsy 15 000 fotsiny ireny fa mihoatra be (mihevitra aho fa manodidina ny 30 000 ireny satria maro loatra koa ny tsy nahazo tapakila intsony no nandray anjara hatrany). Eo amin’io lafiny iray io kosa aloha dia fahombiazana tanteraka ny hetsika. Maro aza ireo orinasa no tsy niraika loatra tamin’ny tsy fahazoana tee-shirt izay tantara manokana amin’ity hetsika ity. Izahay indray, satria mpiara-miasa ihany koa no nifanentana tsy niaraka tamin’ny debadeba, nanadino nitondra sora-baventy na tsy nieritreritra hikarakara izany mialoha (tsy nisy sampana na tompon’andraikitra tamin’ny serasera sy na dokambarotra tsinona niaraka taminay)...

 

Faharoa manarakaraka izany, mialoha ny hidirana amin’ny resaka somary mangidingidy kokoa, dia nampihomehy ihany ny mahita ilay hazakazaka niato teo amin’ny hidin-dalam-by Ampefiloha satria nisy fiaran-dalam-by mpitondra entana sy solika niserana tsimoramora. Tompon’ny lalana tokoa angaha, nefa na izany aza moa tsy efa noeritreretin’ny tompon’andraikitry ny Madarail ihany koa ve ny hisian’ity hetsika ity? Tsy hoe feno dia feno tsinona ny fandaharam-potoana iasan’ny masinina araka ny fahalalako azy.

 

Fahatelo, nisy sampana tsy nanatontosa ny anjarany antsakany sy andavany tamin’ireo mpikarakara ny hetsika. Efa naverimberina manko fa tokony ho tamin’ny enina ora maraina ny fizarana ny tee-shirt sy ny laharam-pihazakazahana ho an’izay manana tapakila efa azo herinandro mialoha. Maro noho izany ireo tonga mialoha ka nieritreritra fa izay tonga dia mahazo avy hatrany ny anjarany sady tsy te-hisisika amin’ny taratara sady fantatra rahateo ny tsy mbola fahaizan’ny Malagasy mandrindra zavatra loatra. Tsy tonga anefa ny fiara mpitondra ireo zavatra tokony hozaraina raha tsy tamin’ny valo ora latsaka fahefany, izany hoe adiny roa latsaka taorian’ny fotoana nifanarahana. Ora iray sisa izany no fetra hizarana ny tee-shirt ho ana olona 15 000 araka ny nambara ombieny ombieny. Izany hoe tokony hahazara tee-shirt, na zavatra hafa, 250 isa-minitra ny mpikarakara farafaharatsiny. Aoka aloha holazaina fa efa maro tamin’ireo tokony hizara no tonga aloha ihany koa fa ireo fiara mihitsy no tratra aoriana. Tsy mahatratra 100 anefa ireo mpizara ny entana raha ny fanombanako azy (ahiako tsy hahatratra 50 akory aza). Noho izany ankoatra ny fanamarinana kely madinidinika eo ampizarana dia tsikaritra fa tsy ho voazara ara-potoana velively ireo zavatra efa nampanantenaina ny mpandray anjara. Vokany, tamin’ny valo ora dia ravan’ny fifanosehana sahady ny toeram-pizarana iray (tranolay iray amin’ny enina hitako teny an-toerana). Folo minitra taorian’izay raha ela dia rava ihany koa ny toeram-pizarana roa teo akaiky teo ihany. Rava avokoa izany ny fizarana telo teo anoloan’ny Instat. Ny roa hafa kosa dia eo amin’ny sampanan-dalan’ny Fitsarana amin’ny ady amin’ny fanjakana sy ny Fitsarana Tampony (mbola eo ampanamboarana saingy efa manakaiky ny fahavitana kosa).

 

Fahaefatra, aoka tsy hohadinoina fa tsy nisy resaka mihitsy ny amin’ireo mbola te-hisoratra anarana tamin’io fotoana io ary efa nilazana mialoha fa tsy hahazo na inona na inona intsony. Maro dia maro anefa ireo olona ireo (sady tanora avokoa ny ankamaroany). Noho ny tsy fahampian’ny serasera dia nifangaroharo teo ny filaharan’ny te-hahazo tapakila sy ny efa manana tapakila fa miandry tee-shirt. Asa efa be angaha ny azo ka tsy noraharahiana intsony ny vola hafa mety mbola ho azo.

 

Fahadimy, nampanantenaina ireo efa manana tapakila fa rehefa tsy azony teo anoloan’ny lapan’ny fitsarana ny tee-shirt na zavatra hafa dia eny Alarobia ny fotoana. Nampanantenaina ny rehetra fa tsy maintsy mahazo ny anjarany avokoa ny rehetra fa tehirizina tsara ny tapakila. Nisy anefa ny fifandraisana tsy nifankahazo satria samihafa tanteraka ny dikan’ny teny hoe tsy maintsy mahazo ny anjarany avokoa ny rehetra sy ny hoe tsy maintsy zaraina amin’io fotoana io avokoa ny zavatra rehetra. Teny an-dalana manko ireo fiara mpizara zavatra (ilay kamiao mena io) dia efa nanapariaka tee-shirt tamin’ireo mpijery maro teny an-dalana. Niahiahy avy hatrany aho fa endrika fanodinana ny zavatra tokony hozaraina izao toe-javatra izao. Mbola teny an-dalana tsy nisy olon-kafa niditra an-keriny tamin’ny fiarabe mihitsy izany. Nisy fiara madinika izany niara-dalana (205 volombatolalaka) niara-dalana tamin’io fiarabe mena io ary nanmpidinana tee-shirt maromaro teny ampandehanana mbola ho eny Alarobia. Ry zalahy amin’io maro no be kibon’ny tee-shirt maro tahaka an’i Obelix ara-bakinteny.

 

Fahaenina, hiresaka ny amin’ny mpizara indrindra ao anatin’izany tantara izany. Misy ny manombana ireo mpizara ireo ho olona tsy azo itokisana loatra ny fijery azy. Misy moa ny mahasahy mampitaha ireo mpizara ireo amin’ny endrika mpangaro-paosy sy ny mpanendaka sanatria, amin’ny fomba fitenin’ireo teo akaikiko manao hoe: jereo amin’ny endriny fotsiny fa raha ireo no mpizara tsy mahagaga raha tsy voazara amin’ny tokony ho izy ny entana. Masiaka loatra io teny io nefa mampandinika tokoa raha mahita ny ataon-dry zalahy nitady ilay gidragidra tokoa. Raha iverenana manko ny nahatonga ny faharavan’ny toeram-pizarana faharoa sy fahatelo nolazaiko teo dia nisy tovolahy nampidina tee-shirt maromaro avy any ambonin’ny tafon’ny fiara ka tsy ilay mpizara tao ambany no nandray azy fa ireo mpifandrombaka. Mazava loatra fa voatery niala ilay fiara (mazda manga ilay tsikaritra any amin’ny sary hafa ihany).

 

Fahafito, rehefa teny am-pahatongavana teny Alarobia. Mbola tsy nisy na inona na inona vanona ihany. Eny amin’ny fiara ry zalahy no mieriteritra ny hizara indray ny tee-shirt sy ny zavatra hafa. Nahavariana ny fahamaroan’ny olona vao notazanina lavitra fotsiny. Maro manko ireo efa tsy tafiditra intsony tao amin’ny kianjan’Alarobia satria hipoka tanteraka ny tao anatiny teo akaikin’ny fiara mpizara. Indro fa niala niaraka tamin’ny entana tao anatiny sy teny amboniny indray ilay mazda manga efa nitsoaka tery Anosy. Ilay fiarabe mena sisa no tsy afaka ary dia raikitra ny fandrombaka. Mazava loatra fa zara raha nahazara ny entana tokony ho nozarainy ny mazda manga nolazaiko teo ambony ihany. Namana iray teny an-dalam-podiana no nilaza tamiko fa nanipy vitsivitsy teny an-dalana io fiara mazda manga io sady nirifatra ihany. Amiko manokana entina ialana bala iny hilazana fa nizara ihany koa izy teny an-dalana.

 

Fahavalo, zavatra iray saiky adino. Teny an-dalana dia misy ireny rano zaraina amin’ny mpihazakazaka ireny. Nolazaina fa ny ‘Eau vive’ no mpanohana ofisialy amin’ny fanomezan-drano. Be loatra tsy araka ny nampanantenaina ve ny mpandray anjara fa tamin’ny fizaran-drano telo voalohany hitako dia tsy misy rano zaraina intsony rehefa nandalo teny izahay. Nisy moa ny niteny fa tsy eau vive intsony no nozaraina fa rano vao natsakaina ilay izy. Nisy aza ny nahasahy nilaza (mety ho noho ny lonilony koa) fa rano efa masiso no nozaraina tamin’io fotoana io. Satria moa izahay efa tsy nahatratra rano intsony nefa izahay amin’io afovoamboan’ny fihazakazahana dia nividy eau vive teny amin’ny mpivarotra tompoko.

 

Fahasivy, mikorontana ihany ny serasera ny ampitson’ny toe-draharaha. Efa nisy ny fialan-tsiny natao tamina fahitalavitra iray nataon’ny mpikarakara (media consulting) fa tsy mbola nahazo alalana hizara ry zalahy nefa dia nanao be loha. Maro tamin’ireo tsy te-higidragidra teny Anosy na Alarobia manko no efa nanapa-kevitra (noho ilay fahitana ny fiara mazda tsy nahazara ny entana ohatra) fa hankeny Ankadivato misy ny foibeny miaraka amin’ny tapakila. Tsy maintsy valinteny fialana no azon’izay mankeny toy ny hoe mbola eo an-dalam-pivoriana izao sy ny hoe tazonin’ny fivondronana ireo tee-shirts maro tsy voazara tany amin’ny fiara. Raha ny hoe mbola mivory handinika izay hatao efa mahazatra ihany fa ny hanilika ny anjara eny amin’ny fivondronana kosa efa zavatra hafa ny amin’izay.

 

Fehiny: Samy tompon’andraikitra avokoa ny rehetra saingy heveriko fa niniana natao ilay tsy filaminana ahafahana manodina entana maro araka izay azo natao. Hitako mivantana, kaofy boay iray hita fa mpikotrana satria bokony dia bokony avy any ampifandrombahana tany mitondra tee-shirt efa tsy latsaky ny folo, ny sigara (tokoa ve sa maoly?) amin’io tsy miala eny ambava mihitsy. Mety ho tsy nisy sahy nikitika ranamana na dia ny mahita azy fotsiny aza. Lazaiko etoana fa nalain-dry zalahy tao amin’ny mazda manga avokoa ny ankamaroan’ny entana nentiny raha sahy milaza any amin’izay anaovana tatitra izy fa voazara avokoa ny nentiny. Asa manao ahoana re izao ny hamaroan’ny tee-shirt ‘Ndao hihazakazaka’ amidy eny an-tsena amin’izao fotoana izao? Izay nahazo teny Alarobia aloha dia ny Be sandry ihany no nahazo sy ireo nahasahy nandroba tany amin’ny fiara fizarana ny entana.

 

Tee-shirt ve no nihazakazahana? Misy ny mitsikera fa matin-kani-kely ny malagasy raha ny tee-shirt no niadiana. Ambara fa mariky ny fahantrana ilay fandrombaka nifanaovan’ny olona tamin’iny fotoana iny. Isika angamba no tsy mba zatra loatra ny mametraka fahatsiarovana amin-java-dehibe iray ankoatra ny sary. Nisy tamin’ireo te-hifandrombaka no tsy te-ho bedin’ny any an-trano satria ny fananana ilay akanjo no marika ahafantarana fa tany tokoa ny tena ary nihazakazaka tokoa. Ny tsy nahazoana mari-pahatsiarovana nampanantenaina noho izany dia mahatonga ny saina hieritreritra fa niodina fotsiny ny tena ka ny ‘Ndao hihazakazaka’ no nentina nialana bala. Io lafiny io no tsy mba nosain’izay nitsikera fahatany amin’ny fandrombaky ny nanao izany. Hita ihany rehefa fotoan-dehibe toy ny lalao lehibe ireo manao satroka taratasy (cotillons) misy soratry ny lanonana na hoe Barea na Ajesaia na Rossy saingy matetika dia amin’iny andro iny dia mety ho potika ireny satroka taratasy ireny. Heveriko fa karazany saiky sambany ilay mari-pahatsiarovana saiky nozaraina saingy indrisy moa. Amin’ny manaraka aleo amidy ny mari-pahatsiarovana mba hialana amin’ny fifandroritana fa tssy tokony atao lafobe tahaka ny tamin’ny lalaon’ny nosy izay fanararaotana tafahoatra kosa.

Barea: Aza lazaina hoe

2008-06-09 @ 11:37 in Spaoro

Ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe : Ndao hihazakazaka gidragidra notadiavina dia efa vonona tokoa ary efa nihafiana nalefa tamin'ny alalan'ny moov anaty ora feno (izay lafo be) saingy rehefa tonga teo amin'ny minitra faha-16 nanokatra blaogy.com fotsiny dia tapaka ho azy ny connexion, fatiantoka iray lavaka. Rahalina na rahampitso angamba iny no mivoaka raha tsy hoe lany ny fahana.

Fa hiresaka Barea kely na dia tsy nanatrika teny aza ny tena. Efa fantatra fa nanao ady sahala tamin'ny favori aloha ny ekipa. Nahafinaritra ihany ny lalao satria nifandanja ihany noho ny ezaky ny tsirairay. Ny tsy maintsy lazaiko satria tsy hisy hiresaka loatra sady toa tsy azon'ny maro eto an-toerana mihitsy.

Tsy hita akory manko izay fiovana teo amin'ny toerana ipetrahan'ny mpijery. Tsy mahagaga raha mila vaniny araka ny fitenin'ny gazety ny solontenan'ny FIFA nefa zavatra takiako ihany koa io. hita manko fa raha 24 000 eo ho eo no fenitra amin'ny isan'ny mpijery dia mbola azo tombanana ho 30 000 eo ho eo ihany ireo tafiditra. Toa iniana atao mihoatra ihany ny tapakila nozaraina azo anaporofoana hatrany ny fitiava-kelin'ny sasany (iza io?) amin'ny sitrany ahay. Tsy voahaja indray manko ny lalan'ny mpandeha izay efa natao loko hafa mihitsy.

Ny gasy ve no tsy mety manaiky fandaminana sa ny tokony handamina no tsy miraika loatra hanaja ny fenitra?

Euro 2008: Maty piraoga ny mpitia baolina gasy

2008-06-07 @ 20:50 in Spaoro

Mionòna mionòna ialahy ry mpitia baolina Malagasy fa izay kely azon’ny Afnex omena an’ialahy ihany no sisa arahin’ialahy mivantana. Zara aza ialahy nomeny baolina valo hojerena amin’ity euro 2008 ity ka ampahaefatry ny famaranana ny roa, atsasaky ny famaranana ny iray ( fa maninona no tsy izy roa e?) ary ny famaranana ny iray. Zara aza ialahy nahita ny lalao fanokafana androany alina iny dia amin’ny alakamisy 12 marsa 2008 hihaonan’ny Alemana sy ny Kroaty indray ny baolina manaraka.

Fa iza anefa no nilaza tamin’ialahy hoe aty amin’ny faritra mahantra Afrika Atsimon’i Sahara ialahy no mipetraka? Ahoana tsara hoe? Maninona raha mividy ny fitondrana Malagasy hanome fahafaham-po ny vahoaka tsy mandady harona? Oadray! Izy anie afaka mijery amin’ny TPS sy ny Canalsat e! Maninona raha mampiditra ny iray amin’ireo ialahy? Soa ihany aho fa tsy naka “congé” fa izany no fanaoko rehefa avy ny Euro na ny mondial. Sa ve hoe rehefa tsy hijery baolina aho rahampitso dia heverin’ialahy fa tsy tia baolina mihitsy aho? Ka raha tia hanaraka baolina mivantana anie ialahy mitantara ny Radio Nasionaly Malagasy e! Ahoana tsara hoe? Izay aloha e! Ny mijery no tena izy fa tsy itantarana.

Dia inona anefa no hataon’ialahy? Himenomenona fotsiny any ambadika any? Ka sahin’ialahy ve ny hitaky Euro eny Mahamasina rahampitso? Izaho anie ho’aho tsy ho eny e! Io tsy fahaizana mivondrona io ihany no mahavoa an’ialahy? Fa raha misy fihetsiketsehana (izay ho nofinofy tanteraka aloha eto Madagasikara) rahampitso mety ho heno ihany ny hetahetan’ialahy ka! Saingy ny vahaolana tsotra indrindra dia ny mitady akama manana TPS na Canalsat e! Izaho aloha tsy manana fa efa mahay mionona e! Zara aza nomeny baolina valo na dia tsy mahaliana loatra aza ny lalao omeny e! Foha! Foha! Ndeha matory fa tsiiiy iiiiiy! Ary tsy ramatoa no imenomenonana eo! 

Baolina fandaka: Na ho tafintohina aza ianao

2008-06-05 @ 10:14 in Spaoro

Efa nolazaiko mialoha ihany ny amin’ity soratra iray ity satria mety hanafintohina ny maro amin’ny mpamaky ny votoatiny. Marihina aloha fa resaka baolina fandaka izy ity (baolina kitra hoy ny fiteny mahazatra nefa toa mitondra kitra hatrany ny Malagasy aminy). Misy fizaram-potoana ilay eritreritra mba hifandrindra hatrany amin’ny zava-misy aloha.

Vanim-potoana voalohany, tsy mbola nanomboka ny fifanintsanana hidirana amin’ny dingana famaranana amin’ny fifaninanana ho tompon-daka manerantany hotontosaina any Afrika Atsimo 2010 sy ny dingana famaranana handrombahana ny ho tompondakan’i Afrika izay hotontosaina any Angola 2010 kosa. Niverina tamin’ny toerany ny FMF na ny Federasiona Malagasy ny (baolina) Fandaka izay nahantona teo aloha. Ny minisitry ny fanatanjahantena izay nampihantona ny federasiona kosa no tsy tafaverina tamin’ny toerany intsony. Ady koropaka ny fanomanantenan’ny ekipam-pirenentsika malagasy. Mpilalao avy amin’ny ligin’Analamanga, hany ligy tokana nanao fifaninanana nandritra ny fotoana nampihantona ny FMF, ihany no nantsoina handrafitra azy.

Nasaina tao amin’ny fandaharana Savaravina mandeha isan’alahady hariva ao amin’ny radiom-pirenena ny FMF. Naneho ny fanakianany ny FMF ny maro amin’ny mpiantso ka nilaza hoe maninona raha mba mametra-pialana fa tsy miandry esorina? Valy bontana no azo, mirotsaha raha mahasahy fa tsy eo no be vava eo! Eo anatrehan’ny mpanaraka ny baolina anefa dia tsy ho tafala eo amin’ny toerany mihitsy ireo mpikambana amin’ny federasiona ireo satria ny olony ihany no maro an’isa amin’ny ligy mahazo alalana hifidy. Ny tsy zakan’ny mpanaraka dia ny ligy anarany no tena maro an’isa fa ny ligy mahita ny lesoka kosa sady tena miasa dia vitsy loatra tsy hahavadika ny rasa mihitsy. Mirehareha ny FMF satria tahaka ny mahazo fanohanana avy amin’ny FIFA.

Raha izany no izy, hoy aho anakampo, tsy mila ny fandresen’ny Malagasy mihitsy aho amin’ity fifanintsanana mandritra ny volana jona ity satria izay rehetra fandresena dia fandresen’ny FMF ahafahany mandresy lahatra fa mahavita zavatra ry zareo ka handimby ny tenany avy ihany amin’ny fifidianana ho avy. Ny faharesena rehetra kosa dia fampisainana ireo ligy mpifidy hoe mbola hotazonina ve ireo ekipa tsy nahatafavoaka baolina ireo. Amiko manokana olana ny FMF saingy ny fototr’olana dia ny ligy be tsy andraofana tsy fantatra marina na misy ekipa miorina ao aminy na tsia (famenoan’isa iarovan’ny FMF ny tenany araka ny fijeriko azy). Tsy mandà ny fahabangan’ny foto-drafitr’asa ihany koa aho na dia izany aza.

Vanim-potoana faharoa, re fa nanao ady sahala samy tsy nisy nitoko ny Malagasy sy ny Botsoaney. Sady tsy resy no tsy nandresy izany ny Malagasy. Raha heverina amin’ny fanomanantena dia tsara ihany ny vokatra satria tsy vaky ny fiarovana izay lesoka lehibe tamin’ny fifanintsanana teo aloha. Mbola tsy nahavaky atody ihany anefa isika etsy ankilan’izany. Nanam-panantenana ihany ny tia mijery baolina fa mety hihiratra ny masoandron’ny Malagasy amin’ity indray mitoraka ity. Samy ela niomanana ihany manko ny rehetra fa ny malagasy no “tafaverina” tampoka hahazo mifaninana raha nahantona teo aloha. “Limiter les degats” izany no tena tanjona tany an-tanin’olona (mametra araka izay azo atao ny fahavoazana mety ho azo) sy ny fihaonana voalohany.

Ny manakana ahy tsy hijery baolina eny Mahamasina  kosa dia ny fiheverako fa ny fividianana tapakila rehetra dia karazana fanohanana ara-bola ny federasiona tsy ankasitrahako loatra (na dia noho ny fireharehana voalaza tetsy ambony ihany aza nefa eo ihany koa ny lazan’ilay hoe “manaova resy” taona vitsy lasa izay). Tsy mazava amiko manko ny fitantanana ara-bola tokony ho aingam-pampandrosoana ny baolina fandaka indrindra indrindra. Tsy eken’ny eriteritro mihitsy izany hoe tsy misy tapakila intsony aty amiko rehefa tafiditra ny kianja aho, nefa iny no karazana fiantohana ho ahy raha sanatria ka... sanatria izay efa nisy raha nihaona voalohany ny Malagasy sy ny Ivoariana ka teo ampandresena ny Malagasy kanjo nosembanin’ny orambe nanondraka ny kianja ho “tsy azo nilalaovana”. Naverina hatramin’ny voalohany ny lalao raha tsy vita hatramin’ny farany, maika loatra ny federasiona fa ny ampitso ihany no nanaovany azy ary mandoa vola indray izay te-hijery. Teo no nipoitra voalohany ny fanakianan’ny mpijery fa tia vola ity federasiona, saingy inona moa no ataony satria tsy misy manana tapakila intsony ny mpijery tamin’io andro Asabotsy nilalaovana teo aloha io. Izay mpanaraka ny bolongako hatramin’ny ela ihany koa dia mhafantatra fa saiky izaho irery no miresaka izany baolina fandaka izany raha ny eto madagasikara no resahina.

Tetsy andanin’izany anefa dia nandoko ny gradins ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Loko marevaka isaky ny faritra izay azo atao lokona tapakila ho an’ny mpijery ihany koa ary azo amaritana mialoha ny toeran’ny mpijery koa raha vonona ho amin’izany ny federasiona. Raha jerena ny lojikan’ny Kaominina dia azo atao tsara amin’io fotoana io ny manao famandrihana mialoha na dia ny eny amin’ny gradins aza mba tsy hisian’ny fifanosehana sy hisorohana amin’ny fihoaran’ny isan’ny mpijery efa fahazarana isaky ny misy baolina malaza eto amin’ny tanàna. Amin’io fotoana io dia mba mahazo matoky tena izay rehetra mividy tapakila fa misy toerana miandry azy hatrany eny fa tsy hoe vao tara kely aho dia eny ambanin’ny gradins (voararan’ny lalàna) sisa no anjara toerako na aleo mody fa tsy hahita na inona na inona intsony. Tsy fantatra loatra anefa raha vonona hiaraka amin’ity fivoarana ity ny federasiona na tsia satria tsy miteny mihitsy izy amin’izao fotoana izao. Nahatsikaritra ihany koa ny mpanaraka baolina fa tsy nanao afisy sy dokambarotra amin’ny fihaonana mihitsy ny federasiona. Tsy ilaina intsony ve izany satria efa fantatry ny rehetra?

Tao amin’ny kidaona maraina, hany haino aman-jery azon’ny mpihaino iadian-kevitra eto Antananarivo dia azo lazaina fa fampirisihana ny mpilalao handresy no manjaka kokoa na dia misy ihany aza ny milaza tsy hanatrika io lalao io (tahaka ahy).

Vanim-potoana fahatelo, nahita ny fizotran’ny lalao tany Botsoana tamin’ny televiziona MBS halina (alarobia efa alina dia alina tokoa) ny mpanara-baolina. Tsy honohono intsony izany no henoina fa nahita avokoa ny rehetra na dia ratsy dia ratsy tokoa aza ny kalitaon’ny sary. Hita fa tsy nisy afitsoka mihitsy ny lohalaharana Malagasy ary telo raha be indrindra ny tifitra manandrify ny tsatoby nataony (daka malefaka). Hita ihany koa fa lavaka ihany hay ny fiarovana, nahatafidirana baolina roa izay nolavina avokoa, azo iadian-kevitra ny baolina faharoa fa maty amin’ny ara-dalàna raha ny fijeriko azy saingy ny mpitsara moa no tompon’ny fanapahan-kevitra. Tsikaritra fa sarotra ny manantena ho tafiditra amin’izany dingan’ny famaranana izany; saingy boribory ny baolina, hoy ny fomba fiteny.

Nahery vaika tao amin’ny kidaona maraina alakamisy maraina ny fanombanana fa ho resy ny Malagasy amin’ny fihaonany amin’ny Ivoariana. Lasa vitsy an’isa tery ny tena resy lahatra na ny mampirisika fa handresy ny Malagasy amin’io fotoana io. Karazany niady irery i Gothlieb izay milaza fa tsy mety fanakiviana ny mpilalao amin’ny fihaonany amin’ny favori izao. I Francis Turbo kosa milaza matetika fa mitovitovy hevitra amin’ny mpiantso. Izaho kosa efa nanana ny hevitro hatramin’ny vanim-potoana voalohany: Tsy tiako hiverina amin’ny toerany intsony ireo mpikambana amin’ny federasiona ireo. Misy aza moa no milaza (tamin’ny kidaona) fa na handresy na ho resy ny Malagasy tsy mahaova na inona na inona izany satria ny fototry ny baolina (fandaka) mihitsy no tsy ao.

Na izany na tsy izany, raha te-hahita na hifanena amiko ianareo dia any amin’ny “Ndeha hihazakazaka” no misy ahy. Hazakazaka hotontosaina ny alahady maraina miainga eo amin’ny lapan’ny fitsarana anosy, mamakivaky an’Ampefiloha sy 67ha amin’ny lalam-baovao, Tsaramasay, Ankorondrano ary mipaka eny amin’ny kianjan’Alarobia.

 

 

 

Tsy miverina ilalana

2008-03-18 @ 05:17 in Spaoro

Efa ahafantarana ny fitondrana ka dia tohizany tokoa rehefa mandray fanapahan-kevitra ny tsy manenina fa dia fikiriny mandrakariva iny. Lohatenim-baovao voalohany nisongona ny valim-pifidianana ny nandraisan’ny minisitry ny fanatanjahantena n mpanao gazety nilazany indray fa tazoniny ny fandravana ny federasionan’ny baolina fandaka. Fanapahankevitra hany neken’ny mora an’isa mpankafy ny fanatanjahantena eto Madagasikara aloha amin’izao fotoana izao. Tsy araka ny fiahihiana ny mety haha anjorom-bala ny baolina fandaka malagasy fa aleon’ny mpankafy io fanapahankevitry ny Minisitra io toy izay fanohizan’ny federasiona ny asany izay tsy maintsy hoe ho lany indray raha ny fanohanan’ny ligy azy no jerena.

 

Dingana manaraka tokony hataon’ny minisitera indray ny fandravana ny ligy isankarazany amin’ity taranja baolina fandaka (kitra) ity indray satria ireo koa no fototry ny fanakanana ny fampandrosoana ity taranja iray ity. Izaho manokana moa dia ny fandaminana ny taranjam-panatanjahantena amin’ny ankapobeny mihitsy no tsy ao indrindra fa ny fanomezana toerana sahaza azy ny mpijery (na dia ny tapakila tsy ampelatanan’ny mpijery intsony rehefa tafiditra ny valan’ny kianja aza dia zavatra tsy azo leferina nefa neken’ny maro an’isa hatramin’izay, nefea dia fototry ny tsy fahamatoran’ny fidiram-bola io).

 

Ankoatra izay ny vaovao hafa dia lasa mampihomehy valaka koa ny mahita ny mpitatibaovaon’ny fampielezan-tsary TVM faly ery manonona ny 100% azon’ny TIM tany amin’ny faritra maro tsy nananany mpifaninana nefa saiky tsy hitany mihitsy ny fandresen’ny tsy miankina tany Antsirabe I, ary ny antoko hafa tany Toamasina I sy Antsiranana I ohatra. Zavatra tokony hahamenatra indray ve ry zareo no ireharehana?

 

Tifiro! tifiro!

2008-03-05 @ 12:58 in Spaoro

Mety ho lahatsoratra faraparany mikasika baolina fandaka ity resaka ity taorian'ny faharesena an'isa manaporofo ny tsy fahaizantsika baolina izay. Na ahoana na ahoana amin'ny mahamalagasy dia manohana ny malagasy mandrakariva aho. Tsy manohana be fahantany fa manohana hampandroso io taranja io. Raha tsy mandray ny hevitra ny tompon'andraikitra dia anjarany izany fa dia hiteny ny lesoka lehibe aho.

Mba afaka nijery ny lalaon'ny Costa Do Sol sy ny Ajesaia aho ary mahita tsara hoe mbola aiza ny lalana lavitra dia lavitra diavin'ny malagasy amin'ny ankapobeny vao mety hahatratra ny hakitrokelin'ny any amin'ny firenenkafa isika.

Voalohany ny toetsaina, miala andraikitra ny malagasy amin'ny ankapobeny rehefa tarafina amin'ny lalaony. Deraderaina amin'ny fahaizana tranonkala (breziliana) ny malagasy nefa tsy misy dikany izany raha ny famerenambaolina ho any amin'ny fiarovana no betsaka. Misy ny olona (Sedera) izay tsy maintsy ampandalovina any aminy hatrany ny baolina. Mazava loatra fa dia tsotra kokoa ny fomba fiarovana rehefa izay no tanjon'ny mpanazatra na dia tsy mahay momba ny fanazarana aza aho.

Mivandravandra loatra manko ny fiaingana avy amin'ny vodilaharana havanana dia manavatsava (manao endrika S) mandrapahatongany ho any amin'ny lohalaharana havia. Tolotra olona 8 na 9 mihitsy aza vao tonga any amin'ny lohalaharana havia nefa tsy hitifitra mihitsy (2 ihany nandritra ny lalao iray manontolo ary tamin'ny fidirana voalohany aza). Baolina tsy tifitra velively fa 'video gag' ilay hany tokana tafiditra nandritra ny lalao.

Mitady hanatitra baolina fa tsy hitifi-baolina ny malagasy. Lesoka be taratry ny tsy fandrosoantsika Malagasy io. Ahoana ary ny tanjona apetrako izaho manokana?

Voalohany, raha manao tranonkala dia miafara amin'ny tifitra no kendrena. Tsara ametrahana tanjona hoe miaiinga amin'ny mpiandro ny tsatoby ka hatramin'ny mpitifitra dia tolotra dimy ihany raha be indrindra no manelanelana ireo. Ny fahadimy na fahaenina raha be indrindra dia manana adidy hitifitra na ho any na tsy ho any. Izany hoe na iza na iza indrindra ny mpanazatra dia mampiofana ny mpilalaony hitifitra hatrany na dia drodroka aza. Fizarana ihany izany. Zavabitika io nefa lesoka tsy ananan'ny malagasy tao anatin'ny 50 taona.

Antananarivo: Raikitra ny rotaka

2008-03-02 @ 16:50 in Spaoro

Vaovao mety tsy ampoizin'ny maro ny nisian'ny rotaka teto Antananarivo androany alahady 02 marsa 2008. Io rotaka io dia noho ny tsy nisian'ny baolina saiky hihaonan'ny Ajesaia sy ny Costa do Sol. Ny hany fantatro (satria tsy afa-mivoaka noho ny asa aho) dia ny poabasy no re ary ny tatitra no manambara fa potika tanteraka ny kianjaben'i Mahamasina. Resaka vola tokony ho averina no anton'io rotaka io. Ny tena nitrangan'ny raharaha dia tao Mahamasina. Amin'ny gazety rahampitso ho hahenoanareo ny antsipiriany fa dia fanairana ihany no ataoko eto. Misy milaza fa maro ny maratra ary misy fatiolona mihitsy saingy rehefa tsy mahita dia tsy afaka ny hitompo teny amin'izany resaka miely izany.

Tsy aleo ve mipiraty sy...

2008-01-22 @ 07:30 in Spaoro

Tsy sanatria manohitra ny fananjehana ny piraty sy ny karazany ezahin'ny artista amin'izao fotoana izao fa misy kosa ny zavatra tsy lefitra intsony. Amin'ny ankapobeny ny atao hoe piraty rehefa resaka sangan'asa sy varotra dia maka tahaka ary mivarotra azy amin'ny vidiny mora kokoa. Ny piraty noho izay fakana tahaka izay dia ratsy kokoa noho ny tena izy matetika ny kalitaony. Fa ity atrehina amin'izao fotoana izao ity kosa mba tsy rariny fa ny piraty indray no tsara lavitra noho ny "tena izy" (dia tsy hitako ny voambolana asolo io tena izy io satria ry zareo no ara-dalàna manko.

Resaka fampitana baolina mivantana izy ity ry zareo a! Hitanareo ihany fa anatin'ny vondrona Afrikana isika ary misy lanonam-panatanjahantena tampony ho an'i Kaontinanta ety. Dia manaraka izany indray ny mpitia baolina fandaka e! Fa nirehareha mihitsy ny mpitondra fanjakana nahaloa ny 600.000€ saram-pandefasana mivantana ireo lalao mandeha amin'ity fifaninanana ary nisy aza mpandray anjara tahaka an'i Zambia tsy nahaloa io vola tamin'ny LC2 nahazo ny tsena ara-dalàna io dia malahelo ny mpitia baolina any. Ny antsika moa filankevitry ny minisitra no nanapa-kevitra handoa ny vola izay mitontaly vidy mihoatra ny Ar1.000.000.000 mihitsy. Tsy ho voavidin'ny Tvm izany ka teo no niteraka ny fandraisana andraikitra tamin'ny fitondram-panjakana.

Saingy ny sary nampitain'ity LC2 ity aty Madagasikara kosa ry zareo no tena tsy rariny mihitsy. Izany no tena atao hoe efa mifotetaka ny sary fa mbola mi-smurf izany ny olona sy ny baolina. Toy ny sary mandeha mitsitapitapy e! nefa dia in-20 avo heny noho ny nandoavam-bola tamin'ny Mondial no naloa tamin-dry zareo, hoy ny mpahalala izay. Tamin'ny andro voalohany noho izay tsy fetezana izay dia 25 minitra taty aoriana vao "nety ny sary". Diso ny filazako, nety ny sary satria tsy LC2 no nalefa fa Eurosport. Tsy voavaha mihitsy manko ny olan'ny sary saiky nampitaina tamin'ny ara-dalàna. Tena tsara tokoa re izany sary izany. Tamin'ny fihaonan'i Ghana sy Guinée io. Ny andro faharoa kosa rehefa rehefa nivoaka amin'izay ilay AFNEX LC2 fa dia aleo lazaina ambadika hoe mahay maka sary lavitra ny ao amin'ny TVM no tsara kokoa ny kalitaon'ny sary.

Dia io no nahatonga ahy nanoratra hoe efa mandoa vola be ve dia mbola sary ratsy dia ratsy no omena ny mpijery? Mba tsy rariny ihany. Fantatra anefa fa hatramin'ny taona 2011 no ifehezan'io LC2 io ny tsenan'ny CAN. Azy moa ny tsena ka izay tiany anaovana azy? Raha izany tsy aleo ve mipiraty e! (enga anie tsy hikatona ity sehatra ity amin'izao famporisihana hipiraty izao).

Manaraka izany indray satria izay ilay teboka telo amin'ny lohateny dia hilaza zavatra mahatsikaiky mahatsiravina aho. Efa hitantsika amin'ny gazety sasany angamba ny filazana fa atao renivohitra ara-toa-karena i Toamasina, (didim-panjakana moa dia mahapetraka izany?), dia lasa ny filazana tamin'ny faran'ny herinandro fa omena 100.000.000.000Ar ny any hanatsarana ny tanàna. Dia lasa indray ny teny, tsy hay na fanitsiana na fanomezana hafa indray fa vatsiana 100.000.000Ar ho fanatsarana ny tanàna (sa ny lapan'ny tanàna? tsy fantatra intsony!) fa dia misy elanelana 000 aloha io. Dia hoy aho hoe: misy finiavana handrangitra an'Antananarivo ve ao anatin'izany "fanaovana renivohitra hafa" izany?

Etsy ankilan'izay raha tokony ho anisan'ny nandray fitenenana tamin'ny fanokafana ny faha-40 taona ny FJKM tao amin'ny lapan'ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina izy dia "niala tsiny" noho ny fisahanana andraikitra hafa. Tany Toamasina manko ny lehilahy ka ny fanokafana ny herinandro fiaraha-mivavaka tao amin'ny fiangonana anglikana tany no natrehiny. Efa "tsy tiako Iarivo" intsony ve? enga anie mba tsy ho izany.

Ity misy adinoko fa asosoko eto ihany, 25 minitra taorian'ny fanombohan'ny lalao ihany koa vao azo ny lalao voalohany omaly. Ny lalao faharoa izay tena nandrasan'ny maro ihany koa (CIV#NGR) dia dimy minitra taorian'ny fanombohan'ny lalao vao nandeha satria mbola nandeha manko ny kabarin'ny filoham-pirenena "ka sarotra angamba ny manapaka izany". Soa ihany aho fa 25 minitra taorian'ny lalao vao nijery satria noheveriko fa izay manko no saran'ny vola voaloan'ny Malagasy. namana iray no niteny tamiko io kabary niaretana io raha te-hijery baolina.

Mbola hiresaka zavatra hafa ihany koa. Niteny tamin'ny fandraisam-peo RDB ny Mgr Odon Razanakolona fa malahelo noho izao nampiatoana ny fandaharana "karajia" izao. Fampieritreretana ny rehetra ny ahy no ilazako izany, hoy izy fa tsy fitsikerana. Efa niainana manko ny tsy nampitana tamin'ny televiziona malagasy ny fotoanan'ny katolika hoy ny tenany. Hampitaiko amin'ny filankevitra maharitry ny fivondronamben'ny eveka hivory amin'ny volana ambony ity raharaha ity, hoy ihany izy. Misy moa ny mametraka fanamby fa afaka kelikely dia hiala amin'ny FFKM ny EKAR, dia ho hitantsika eo ny amin'izay aloha.

Ny senatera Kolo Roland ihany koa dia nilaza fa "rehefa sakanana tsy hiteny ny vahoaka dia tsy ho fantatry ny fanjakana mihitsy ny marina". Miresaka ny amin'ny nampiatoana ny karajia ihany izy amin'io. Maro ny zavatra madinika tian-kambara fa tsy haiko moa ny mametraka "bref" amin'ity vohikala ity mba mipetraka eo ankavanana eo fa raha izany no haiko teo an!

Tena Gros Outsider tokoa i Madagasikara

2007-11-26 @ 07:31 in Spaoro

Efa nanoratra tao amin’ny Malagasy Miray i DotMG fa ho be tongotra ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena roa miaraka eo amin’ny baolina fandaka dia ny CAN 2010 sy ny FIFA world cup 2010 izay hotanterahina any Afrika Atsimo. Ny antony nilazany izany moa dia noho isika mbola nanao lalao savaranonando tamin’ny fifanintsanana mialoha sy noho ny filaharana misy antsika mbola ambany dia ambany eto amin’ny Kaontinanta. Na iza na iza, hoy izy, ny mpifaninana amintsika dia mbola tena lavitra dia lavitra tokoa ny lalantsika. Ny faniriana moa dia mba ho hafa kokoa indray no hifanandrina amintsika ary mba tsy hisy ireny mora miala an-dalana ireny ny vondrona misy antsika ka tsy hahatafiditra antsika hiady ny laharana faharoa tsaratsara farafaharatsiny. Ny faniriana faharoa aloha dia nivaly tokoa satria firenena mbola tsy niala an-daharana mihitsy no misy antsika fa ny faniriana faharoa kosa dia tena indrisy ho antsika tokoa.


Rehefa natao ny alahady 25 novambra 2007 ny antsapaka dia tafiditra tao amin’ny vondrona fahafito isika Malagasy. Ratsy dia ratsy ny toerana misy antsika satria dia tafaraka vondrona amin’i Côte d’Ivoire indray isika. Firenena izay tsy vitsy ny Malagasy mpitia azy, indrindra ihany koa noho ny fisian’ilay lohalaharana malaza Didier Drogba. Hiverina indray ve ny tantara sa hahala vela amin’izay ny Malagasy. Na dia ny fisian’io firenena io hifaninana amintsika fotsiny aza dia tokony hanala ny hambo diso toerana rehetra na avy aiza na avy aiza eo amin’ny seha-panatanjahantena lazaina manokana eto. Tokony esorin’i FMF (federasionan’ny baolina fandaka Malagasy) amin’izay ny sazy atambesatra amin’i Guy Beloha indrindra fa tafakatra hifaninana amin’ny sehatra Afrikana indray ny AS ADEMA misy azy, na dia ho fiarovana ny voninahitry ny solontena Malagasy fotsiny ihany aza.



Ankoatra io vato ahiana tsy ho voadingan’ny Malagasy io dia firenena tsy resin’ny Malagasy intsony koa tao anatin’ny fotoana faraparany teo ny mpifanandrina amintsika hafa satria mpifaninana tao amin’ny Cosafa Castle Cup ihany izy ireo. Tsy iza moa ireo firenena hafa ireo fa i Mozambika izay efa nandray anjara tamin’ny dingana famaranana tamin’ny CAN sy i Botswana. Firenena mpiteny frantsay, portigey ary anglisy izany no hifaninana amintsika eo amin’ny sehatra Afrikana. Ny tena loza raha ny lalao famaranana omaly no itarafana azy fa tsy ilay lalao savaranonando nihaonana tamin’ny Nosy komoro dia nanao lanja midina be mihitsy ny baolina fandaka eto an-toerana.



Raha todihina vetivety tokoa manko ilay lalao famaranana teo amin’ny Uscafoot sy ny As Adema dia baolina tokana monja no mba tafiditra (Tsiala ao amin’ny As Adema, fizaram-potoana voalohany) omaly raha tokony ho maro dia maro izany avy amin’ny andaniny sy ny ankilany ary ny tena loza dia ireo baolina tsy avelavelan’ny mahay mampidi-baolina ho very mihitsy ireo baolina maro ireo (tsy azo leferina ny tsy mahatafiditra azy). Lesoka tsy mety afaka amin’ny Malagasy eto an-toerana izany io fampidiram-baolina io hatramin’izao aloha. Tena tsy nisy endrika mihitsy ihany koa ny lalao nasehon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra afa-tsy tany amin’ny faramparany mihitsy. Tsy nahatafiditra baolina intsony ihany koa ny Adema na dia maro aza ny valim-panafihana tsy araky ny tariky Mamisoa intsony. Ny mpanara-baovaon’ny baolina mivantana moa nanamarika fa nanao fahadisoan-tetika ny Mpanazatra Claude Kely teo amin’ny fifanoloana mpilalao. Tsy maintsy hiankina be dia be amin’ny mpilalao mpila ravinahitra ihany izany isika Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izay miandry. Tsy manana hambo ho arovana ny Malagasy eto ary samy mahatsapa izany avokoa ny mpanaraka fa tsy tokony hisy tsindry mahazo ny mpilalao intsony. Ho voninahitra lehibe raha mahatafita na dia ady sahala amin’ny Côte d’Ivoire fotsiny ihany aza.

Mifety ny ankizy

2007-11-01 @ 15:58 in Spaoro

Marina fa fety ihany ny andron’ny omaly any amin’ny ankamaroan’ny firenena tandrefana saingy tsy iny akory no resahina eto. Tsy Halloween na Fetin’ny Olomasina na Andron’ny Reformasiona no resahina eto fa ny Kids Games izay tontosaina eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. (tohiny)

Tezitra (mangina) ny vahoaka!

2007-09-11 @ 16:07 in Spaoro

Hatairana sy hatezerana no niloatra ambavan’ireo namaky tamin’ny gazety na nandre tamin’ny fampielezam-peo fa tsy ho afaka ny hanao fifanintsanana any Senegal ny mpilalao basket vehivavy malagasy. Na mpanohana ny fitondrana izy na mpanohitra ny fitondrana dia samy nanambara ny alahelony avokoa. Amin’ity tranga iray ity kosa dia afaka ny mitabataba azy tsara ny antoko mpanohitra ankehitriny. 

 

Efa nahita ny fiezahan’ireo mpilalao vehivavy ireo avokoa ny nanaraka ny lalaon’ny nosy farany teo. Karazana voninahitra ihany koa izany hoe nantsoina mba hifaninana amin’ny CAN2007 amin’ity taranja basket ity isika malagasy saingy efa tankina hatreo aloha ilay fanoloram-boninahitra. Efa fotoana elaela ihany ny tao amin’ny federasiona no niakatra sy nidina teny amin’ny Minisitera mba ahafahana mandefa ireo mpilalaontsika ireo. Nanambara ombieny ombieny tamin’ny haino aman-jery ry zareo fa tsy manana ny ho enti-manana amin’izany fandehanana ho any Senegal izany. Nodradradradraina hatrany ihany koa fa misy sazy anie ny tsy fandehanana amina lalao fifaninana sahala amin’izao ary efa misy aza ny sazy teo aloha mbola tsy naloa. Saingy toy ny rano natondraka tamina gisa ihany izany. 

 

Mety ho azo natao ny nilefitra raha tsy nisy ny ankiteniteny tamin’ireny lalaon’ny nosy farany teo ireny. Vao iray volana monja manko izany no nampanatena ny filoham-pirenena fa manomboka tamin’izany fotoana izany dia hatao laharam-pahamehana ny fanatanjahantena ho fikarakarana ny tanora. Noho izany no nanambarany fa izay rehetra mahazo medaily volamena dia halefa (hijery ny lalao olaimpika) any Beinjing avokoa amin’ny herintaona. Nahazo ny laharana voalohany mihitsy moa isika tamin’ny fahazoana io medaily volamena io no sady nahatratra ny isa zato izany. Izay koa angaha ny nampiakatra ny vokatra tiko rehetra raha vao vita io lalaon’ny nosy io hiantohana ny fandefasana ireo atleta ho any Beinjing ireo. Vao nandre ny teny moa aho tamin’izay fotoana izay dia efa nahavoaka hoe “ ho tontosanao tokoa ve izany? Sa mandritra ny lalaon’ny nosy ihany? 

 

Efa nohatonin’ny tao amin’ny federasiona ihany ny minisitra mpiahy ity taranja ity, ary efa nahavory ny roatokon’ny vola nomanina ho amin’izany izy araka ny nambara. Nandrasana hatramin’ny ora farany fa tsy namaly teny mihitsy ny minisiteran’ny fanatanjahantena na dia niezaka aza ny minisitra mpiahy ny taranja basket (samihafa ireo an!). Ny momba ny Tafita (tahiry ho fanampiana ny tanora [indrindra fa amin’ny fanatanjahantena]) moa dia tsy nandrenesam-peo ny aminy; tsy fantatra na efa ao anatin’ireo nanolotra fanampiana izy na tsia. 

 

Ankehitriny, hita ho tezitra amin’ity daholo ny olona raha vao atsidika ity lohahevitra ity. Misy moa fomba fiteny hoe ny fampanantenana avy amin’ny mpanao politika dia ho an’izay mino azy ihany. Saingy vanim-potoana mialoha ny fifidianana anie isika ary tselatra kely monja dia mety hampivadika ny olona ary rehefa izy no mivadika dia tsy hiaro na hanohana anao intsony. Sahy aloha izy nandiso fanantenana e!

Malagasy sy Maorisiana: Tsy hifankatia mihitsy!

2007-08-28 @ 15:11 in Spaoro

Mbola akon'ny lalaon'ny nosy ihany ity ambarako ity nefa dia misy ifandraisany amin'ny sehatra hafa! Ny fifankatiavana na fifandraisana amin'iero nosy roa azo heverina ho mifanakaiky saingy toa mifampianjonanjona no holazaiko etoana.

Eo amin'ny fijery malagasy dia nosy telo no tena mifaninana, isika sy ny Maorisiana ary ny Reinoney. Eo amin'ny taranjam-panatanjahantena heverina fa atahorana ny Reinoney dia mirona manohana ny Maorisiana ny mpijery malagasy amin'ny ankapobeny. Raha ny Maorisiana indray no atahorana kokoa dia ny Reinoney no tohanan'ny maro kokoa amin'ny Malagasy. Ireo malagasy manambady frantsay kosa moa dia maro amin'izy ireo no manohana kokoa ny Reinoney noho ny malagasy aza. Asa inona no antony fa zavatra hitako teny ampijerena lalao io aloha.

Ankoatra izay indray dia misy ihany koa ny maro amin'ny mpijery ka manana olona akaiky miasa amin'ny Maorisiana no tsy mety hanohana maorisiana mihitsy. Ny antony dia mpanivaiva gasy loatra ny maro amin'ireo mpifehy teratany Maorisiana. Izaho manokana moa dia miaina mihitsy izany hoe na dia iray trano iasana izao aza dia toy ny fady azy mihitsy ny hamaly ny arahabako na dia miezaka ny miarahaba azy aza aho indraindray. Taty aoriana moa dia tsy misy miresaka eo na mety hifandona eo antokotanim-piasana aza.

Etsy ankilan'izay dia mihevitra ireo delegasiona Maorisiana fa mitongilana ho amin'izay mifanandrina amin'ny maorisiana hatrany ny mpitsara malagasy. Dia nisy moa tamin'ny taranja ady totohondry niditra an-tsehatra mihitsy ny minisitra maorisiana fa heveriny ho mifanafin-keloka (miray tsikombakomba) ny Malagasy ny ny Reinoney. Ny olana moa dia tsy nisy sary naseho mihitsy mampiharihary ny tsy rariny nataon'ny andaniny na ny ankilany. Tsy hita intsony izay manana ny rariny.

Izay no heverin'ny mpanaraka ny baolina fandaka lalao famaranana fa mamaly faty ilay mpitsara Maorisiana namely ny ekipam-pirenena malagasy nandritra ny lalao ka nahararaka antsika tsy hahazo ny medaily volamena. NIvandravandra tamin'ny mpanao gazety rehetra ilay fomba fitsara saingy ny mpitsara ihany moa no masi-mandidy farany. Lesoka ho an'ny malagasy koa moa ny tsy mba fahaizana mitifitra penalty hatramin'izay nijereko baolina ka fantatro avy hatrany fa ny Reinoney no handrombaka azy raha vao tonga izay sehatra izay.

Tsy dia nitsikera be fahatany ny mpilalao na mpanazatra malagasy intsony ny mpijery rehefa vita ny lalao fa kakay sy lonilony amin'ny Maorisiana no nentina nody. Tsy ho rahampitso noho izay no hisy fihatsarany ny fifandraisana eo amin'ny malagasy sy ny maorisiana.

Mbola vakansy! (ny vola lany tamin'ny jioi2007)

2007-08-28 @ 14:45 in Spaoro

Izay no fanamarihana ataokoa aloha amin'izao fotoana izao. Izay no mety mbola tsy ahitana ny lahatsoratro loatra amin'izao fotoana izao. Na dia izany aza dia miezaka hatrany manambara izay rehetra tokoany hambara. Ny lalaon'ny nosy rahateo mbola betska ny holazaina na dia mety ho efa tantara mivalonaho antsika aza.

Ohatra amin'izany ity vola laniko nandritra ny lalaon'ny nosy ity. Tsy hilaza akory ny zavatra hafa toy ny sakafo sy ny saran-dalana aho fa ny vidim-pidirana laniko nandritra ny lalao fotsiny:

raha manoratra ny laharan'ny tapakila aho dia milaza etoana fa ny laharana roa voalohany dia manondro ny datinandron'ny lalao na fampisehoana:

n°0914409 nandaniana Ar1000

n°1005168 nidirana baolina fandaka Ar1000

n°1105273 nidirana baolina basket Ar1000

n°1101042 nidirana volley Ar1000

n°1202292 nidirana fandaka Ar1000

n°1402708 nidirana fandaka Ar1000

n°1609763 nidirana fandaka Ar1000

n°1601294 nidirana volley Ar5000

n°1700688 nidirana basket Ar5000

n°1800122 nidirana fandaka Ar10.000 izay tribunes centrales misy  tantarany kely ity. Izany hoe ny tokom-bola lany dia Ar27.000 izay tapakila fotsiny izany. Tsy nisy ny tamin'ny 15 aout satria hitako avy hatrany fa ho vaky ny lapan'ny fanatanjahantena ka nionona tamin'ny fijerena fahitalavitra aho.

jioi 2007: Voa vao mihilana!

2007-08-20 @ 09:52 in Spaoro

Lesoka lehibe tamin'ny lanonam-panokafana ny nanaovana ny olona toy ny sesika. hany ka sahirana ny olo-tsotra tonga vao maraina teny. Maro koa moa ny naratra tamin'io fotoana io. Tsy mba toy izany kosa moa ny lanonam-pamaranana: tena nilamina ny olona ary dia nahafahana nivezivezy tsara ny tohatra sy nay lalantsara rehetra. afa-po tamin'iny lafiny iny ny mpijery fa tsy dia nahafa-po kosa ilay lanonana manokana. tena fohy loatra ilay dihy mirindra. Raha tsy nisy ny afomanga kely tao anaty kianja sy ny afomanga naharitra teo Anosy dia tena vasoka mihitsy. Soa ihany fa nasian-dry zalahy alim-pandihizana ho an'ny atleta tao amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena.

jioi 2007: Lesona ho an'ny mpijery

2007-08-20 @ 09:37 in Spaoro

Hitsidika kely ny amin'ny famaranana baolina fandaka indray aho. Tamin'ny ankapobeny manko dia ny mpijery matetika no mibaiko ny mpanazatra rehefa eny an-kianja. Matetika ihany koa no milefitra farany ny mpanazatra. Saingy rehefa tonga ny fotoana sahala amin'ireny dia resy ny ekipa avy eo dia ny mpanazatra na ny federasiona indray no mahazo tsiny.

Dia nitranga ihany io toe-javatra io ny sabotsy famaranana teo. NItaky ny hampidirana an'i Dola hatrany ireo mpijery maro. Nandà hatrany ny mpanazatra saingy tsy voatazony izany: nampidirina ihany ranamana io rehefa faramparan'ny lalao. Dia nandrasana ary ny zavatra tsara avy aminy sy ny antony tena nitakian'ny mpijery azy. Atao hoe mety ihany saingy mpanome baolina ny any aoriana no tena hitako taminy. Ady sahala ihany no niafaran'ny lalao nifanandrian'i Madagasikara sy La Réunion. Voatery niditra tamin'ny kitifitifitra araka ny filazako azy avy teo.

Eto moa dia tahaka ny miaraka ihany ny vintana sy ny fahaizana. Hatramin'izay nahatsiarovako tena ka nijereko ny lalaon'ny ekipam-pirenena malagasy dia tsy mbola tafavoaka tamin'io mihitsy isika ( na tamin'ny andron'i ferdinand na tamin'ny andron'ny dominique izay mpiandry tokonana avokoa no sady tsy nahatafiditra ny anjarany tamin'izany kitifitifitra izany). Tamin'ity fotoana ity dia ranamana notakian'ny mpijery maro no tsy nahatafiditra ny anjarany fa namoaka izany tamin'ny sisiny ankavanana. Efa nitsoraka tany ankavia tamin'ny ny mpiandry tokonana reinoney. Iza indray no tadiavin'ny mpijery ho olana tao? Ny mpanazatra!!! indrisy...rehefa resy dia resy e! ny mandray ny andraikiny ihany no tena afa-mivoatra fa izay manilika andraikitra kosa tsy hiova mihitsy nefa izy no tena niavian'ny lesoka.

jioi 2007: Handoa vola indroa?

2007-08-20 @ 09:22 in Spaoro

Ny lalao famaranana basket-ball no asiana resaka kely etoana. Noho ny olana nitranga tamin'ny lalao atsasaky ny famaranana dia nasondrotra ho Ar5000 ny fidirana famaranana volley-ball sy basket-ball. Tsy izay ihany fa tonga dia nampidirina ihany koa ny mpijery nahazo tapakila fa tsy nampiandrasina ela loatra teo ivelany intsony. Efa zava-dehibe aloha izay nefa dia misy olana hafa mitranga hatrany.

Vao maraina be (tamin'ny 6 ora maraina tany ho any) dia efa namidy ny tapakila. Mifanaraka amin'izany koa ny fampidirana mpijery. teo aloha manko tamin'ny 7 ora no namidy ny tapakila nefa aorian'ny amin'ny 9 ora maraina vao noheverina ny hampidirana izay nahazo tapakila. Izay tsy nahazo tapakila anefa nivonona avy hatrany ny hiditra amboletra hany ka ny ampahany be tamin'ny nahazo tapakila indray no tsy tafiditra intsony. Izay no tany amin'ny atsasaky ny famaranana.

Tamin'ny andron'ny famaranana zoma io ary dia laharana 1700688 ny tapakilako. ny laharana roa voalohany moa dia manondro ny datinandro. Ny ambiny kosa dia ny laharan'ny tapakila amin'ilay taranja idirana...nefa dia tsy nahazo seza intsony aho ry zareo. Antony? efa voatokana daholo ny seza anatiny ka mila mividy (Ar5000) raha lehilahy na mety hahazo toerana ihany raha vehivavy tsaratsara tarehy sy bika na mahafinaritra an-dry zalahy manoka-toerana ireo no mahazo ny toerana. Tsy mahagaga raha misy ny seza tsy feno mihitsy mandra-pahatapitry ny lalao manontolo. Raha nisy maromaro koa niaraka tamiko dia nanao bodongerona aho satria jiolahim-boto no tsy maintsy ifanazavana na mety ho tonga any amin'ny gidraka mihitsy aza.

Manaraka izany dia mbola mihoatra noho ny isan'ny seza hatrany ny isan'ny olona tafiditra. Antony hafa? tsy feno manko ny volley famaranana ny omalin'io ka dia namidin-dry zalahy mpikarakara ihany koa. Vokany: feny hatreny amoron'ny kianja indray ny mpijery. Iza ary no tena tia kely ao?

jioi 2007: faly ihany na dia...

2007-08-15 @ 08:04 in Spaoro

Hatezerana ny hasosorana ny an'ny mpitia baolina fandaka raha tsy nitoko fa nanao ady sahala ny ekipam-pirenentsika ny alahady teo. Ny tena nahakamo moa dia ilay tsy nahatafiditra baolina mihitsy no sady tsy nisy tifitra afa-tsy ny an'i Eric Faneva indray mandeha ihany. Tsy nahagaga loatra raha nitehaka avy hatrany ny olona rehefa nanao tifitra maromaro ny Mahorey tamin'ny lalao faharoa.

 

Omaly ary dia efa somary nalaindaina ihany ny mpijery ny hamonjy an'i Mahamasina nefa tonga ihany sy feno rehefa tonga ny lalao faharoa nandraisan'i Madagasikara anjara. Nampihomehy ahy ihany fa any amin'ny vavahady atsimo avokoa ny olona no milahatra fa manahy sao tsy misokatra ny vavahady avaratra (anoloan'ny vavahadin'ny ste famille). Noho izanny dia izaho no nilahatra voalohany sy tafiditra voalohany tao amin'ny kianjaben'i Mahamasina tamin'ny mpijery tsotra.

 

Rehefa nanomboka tokoa ary ny baolina ka efa hitan'ny mpilalao fa tifitra no tena andrasan'ny mpijery ary ny baolina miditra no fantany dia nanandrana tamin'ny tifi-davitra ihany na dia mivilambilana matetika eny aza. Tsy nahitam-bokany mihitsy io ny fidirana voalohany fa nivaly kosa tany amin'ny fidirana faharoa.

 

Minitra fahaefatra dia nahazo penalty (2° mi-temps) ny malagasy saingy tsy tafiditry Mamy (21) izany. Nandresy 3 noho ny aotra ihany anefa isika avy eo ka i Voavy paulin ny roa voalohany ary i Claudio kosa ny iray farany. Nody amin-kafaliana ny mpijery satria tafakatra antsasaky ny famaranana ihany ny malagasy.

jioi 2007: tahontsaina nahazoana olana

2007-08-11 @ 17:00 in Spaoro

Dia hiresaka ny amin'ny zavatra nihatra tamiko androany Sabotsy indray aho. Tsy nisy moa ny baolina fandaka ary tsy dia tia loatra ny haiady aho. Noho izany dia lalao iraisana hafa ihany no noeritreretina hojerena. Nijery ny fandaharana tao amin'ny gazety nivoaka talohan'ny andro fisokafana aho ary nahita tsara fa amin'ny mitatao vovonana no misy volley ilalaovan'ny malagasy ao amin'ny kianja mitafo. Mitohy io amin'ny roa tolakandro. ny lehilahy no milalao voalohany ka nihaona tamin'i Comores. Nandresy tamin'ny set telo noho ny aotra isika tamin'io. Ny vehivavy kosa dia karazan'ny lalao famerenana omaly. Efa resy set telo noho ny iray manko isika tamin'io, tamin'ity kosa dia voavaly iihany izany ka nandresy tamin'ny set telo noho ny roa isika.

 

Saiky hoe hijery basket andraisan'ny malagasy anjara amin'ny efatra ora araka ny programa aho, kanjo hay natao amin'ny mitatao vovonana ihany koa hoe io. Efa novidiako mialoha anefa ny tapakila talohan'ny nijerena volley. Gaga aho hoe inona koa ity fanovana programa ity? Raha teto ianao, hoy ilay olona teo anilako dia hahita fa tena nanempotra be mihitsy tato amin'ny lapan'ny fanatanjahantena tato. Eny ary fa tena natao mihitsy izay hizarazaran'ny malagasy amin'ny taranja maro isan-karazany fa na dia izany aza nahoana no feno hipoka ihany ny lapa nefa mba betsaka ihany ny olona niara-onta tamiko. Nivarotra tapakila nihoatra ve izany ny mpikarakara sa nisy ny nampiditra antsokosoko?

 

Izany eo ihany fa dia hiresaka ny saina nentiko aho. Tamin'ny lanonam-panokafana dia nahita olona nitondra saina aho ary lavalava sy matevitevina ihany ny tahony nefa dia tafiditra teny amin'ny gradins izy io. Dia nahita ihany koa aho tamin'ny tele tamin'ny taranja karate olona nitondra saina sady nanofahofa azy tsara mihitsy. Dia hitondra saina aho izany ho'aho.

 

Kanjo rehefa tonga teo dia tsy navela hiditra ny tahontsaina, izay no baiko. Ny saina dia ahofahofan'ny tanana raha te-hitondra fa ny hazo (bararata ilay nentiko) tsy mahazo miditra. dia gaga aho sady niteny hoe inona koa ary izany. Ny hazo izany dia tsy mahazo miditra tao amin'ny kianja mitafo.

 

Fa rehefa tena hiditra tamin'ny set fahadimy (tie break) nihaonan'ny Maorisiana sy ny malagasy aho dia tsy nanaiky intsony. Saina misy tahony Maorisiana efatra be izaho no tafiditra. Vazaha be patirao eto amin'ny tanàna ve ho'aho dia mahazo miditra ny hazony? Tsy nanaiky intsony aho. Nalaiko ny ahy dia natsofoko tao ny sainako. Tsy dia nahateny intsony ilay sisa mpisava teo ambavahady. Atao hoe tia tena aho saingy ilay tsy fampiharana feno ny baiko dia tsy mety loatra.

jioi 2007: fandaminana mamely gasy!

2007-08-10 @ 17:37 in Spaoro

Efa maromaro izay lahatsoratra navoakako androany izay ka ity angaha aloha ny faran'ny androany. Maro ny lalao tiako nojerena androany indrindra fa ny an'ny malagasy saingy nampisafidianina isika malagasy. natao ora mitovy avokoa ny lalao iraisana hilalaovan'ny malagasy. Voatery nizarazara ny mpanohana androany. Ny vahiny anefa dia toy ny nifandimby mihitsy ny lalaony ka afaka nifanohana avokoa izy rehetra. NIvandravandra izany ho an'ny Kaomoriana. rehefa vita ny basikety dia afaka nijery baolina fandaka ry zareo ary rehefa vita io dia izay indray vao mijery volley izy rehetra. nanana toy izany ihany koa ny firenena hafa.

 

isika malagasy irery no nilalao tamin'ny ora mitovy! na dia atao hoa mahay mandray vahiny aza ve isika dia tsy mba jerena izay hahazoana mpanohana maro. Izaho manokana dia nalahelo satria tsy maintsy nisy ny lalao tsy nojerena nefa amin'ny dimy ora dia tsy misy lalao iraisana nataon'ny malagasy intsony. Toy ny very maina ny nakako fialantsasatra hijerena maokana ity lalaon'ny nosy ity. Tsy mbola hitako avokoa moa ny fandaharam-potoana rehetra saingy ny androany Zoma sy ny rahampitso Sabotsy aloha dia hita tsara io tsy fahaizana mandamina nataon'ny mpikarakara malagasy io sy ny fahafahan'ny vahiny mitety toerana maro sy misesy tsy mitovy ora loatra. Ndry! fa teratany vahiny ary ve no nikarakara ny lalaon'ny nosy teto Madagasikara ity sa matimatin'ny te-hampifalifaly vahiny.

 

Eo ihany aho dia manararaotra kely! ery anoloan'ny vahiny indray ve moa ry zareo mpanentana malagasy natsoina maokana ho amin'izany no mandihindihy fa tsy teny anoloan'ny malagasy! mba fatratra lahy izany! tsy  maintsy miteny satria tsikaritra!

jioi 2007: ilay lanonana mihitsy (2)

2007-08-10 @ 17:19 in Spaoro

Eo amin'ny lahatsoratra fahenina indray isika amin'izao fotoana izao. (raha tsy diso aho). rehefa vita ary ny kabary maro izay nahatratra adiny iray mahery teo ho eo dia niditra amin'izay i maitre Kira kalazan'ny baolina fahiny nitondra ny afo olaimpika. Hafaliana ny an'ny olona. Tsy latsaka izany koa ny an'ny Atleta. noheverina hitety ny manodidina ny kianja ny anao kanjo moa dia teo amin'ny atsimo indrindra no nampitainy an'i Lalaina izay kalaza amin'ny haiady karate ny afo. nanavatsava ny afovoan'ny kianja manaraka ny lavany ry zareo no nataony a! asa! matahotra ny mpijery ve izy no izany no nataony sa efa izay mihitsy ny fandaminana?

 

rehefa vita moa izay vao natsangana tamin'ny alalan'ny hiram-pirenena malagasy ny sainan'ireo firenena rehetra aty amin'ny nosy. Efa adinoko moa izany ny nilaza ny hira faneva sy ny fananganana ny saina olaimpika izay natao talohan'ny kabary ifandimbiasana izay marihiko etoana fa mifandimby miteny amin'ny teny malagasy sy frantsay ary anglisy avokoa ny ankamaroany. Izay vao namonjy toerana teny amin'ny gradins natokana ho azy ireo atleta nijoro teny ankianja. NIvandravandra avy hatrany moa fa namela fako teny sahady ry zareo vahiny. Voatery nisy mpanampy antsitrapo maromaro nanangona ireo fakon-dry zareo ireo. tehaka no nasetrin'ny mijery maro izany fihetsika izany.

 

rehefa tonga teny amin'ny toerana misy azy ireo atleta vao nantomboka ny tena fety nandrasan'ny olona. Novonoina tsikelikely ny jiro ka saiky maizina tanteraka ny toerana. Ny akanjo nanaovan'ny mpanao fampisehoana ihany koa nanomboka tamin'ny akanjo mainty saingy niafara tamin'ny akanjo fotsy. Nomarihina tamin'ny fihetsika mirindra teny ny momba ny tantaran'ny Madagasikara talohan'ny fanjanahantany sy nandritra ny fanjanahantany ka nifarana tamin'ny fahazoana ny fahaleovantena io fampahatsiarovana ny tantara io. NItohy tamin'ny resaka fampihavanam-pirenena sy fampissehoana ireo karazan'olona misy eto Madagasikara izany fampisehoana tamin'ny alalan'ny dihy mirindra izany.

 

Ny tena nahavalalanina ny olona anefa dia ny afomanga nifanaraka tamin'izany dihy mirindra izany. Toy ny afomanga kely saingy tena nahafinaritra sy maro isankarazany. Tsy mbola nisy nanao toy izany aloha teto Madagasikara araka ny fahatsiarovako ary orinasa misahana izany manokana avy any Frantsa no nanatontosa izany. Ankoatra ny afomanga anatin'ny kianja moa dia nisy ihany koa ny afomanga natao teny Anosy nanomboka tamin'ny  sivy ora latsaka fahefany teo ho eo; raha vantany vao vita ny fampisehoana tao Mahamasina. Io afomana ivelany io dia maro ny karazany izay tsy fahita teto an-toerana ary hita fa efa manana ny haizatrany ireo olona nikarakara azy.

jioi 2007: ilay lanonana mihitsy!

2007-08-10 @ 17:07 in Spaoro

Lahatsoratra fahadimy indray aho eto. Tonga ihany ilay fotoana nandrasana nony ela ny ela. Efa saiky nahazo ny toerany ireo olona tsotra nameno ny kianja. Ny anjaran'ny atleta sisa! tamin'ny dihy mirindra nataon'ny majorettes dia ny tribunes irery ihany no tena nahazo ny fy. Izahay kosa dia mitaratra ambadik'ireo mpanao gazety namenitra toy ny nanakona anay ankoatra ny fefy vy maneingelina na dia ny fijerena aza.

 

Na izany na tsy izany dia nanao ny fetiny ny teny amin'ny gradins. Azo lazaina aza fa toy ny nizara roa mihitsy ny fety teny Mahamasina tamin'io fotoana io. Nandritra ny filaharan'ny atleta manko dia misy ny hira mihetsiketsika miaraka aminy. Ny mpijery dia manao ny fihetsika mirindrany ankoatra ny onja mahazatra. Maro aza ny fihetsika toa niforoana ho azy teny toy ny fipeli-tanana mifandimby miakatra sy midina ny havia sy havanana (hevero ho toy ny matson'ny miaramila saingy ny tanana no mitsotra miakatra sy midina haingana ny havia sy ny havanana. Ny atleta indray no mivanaka ary ny gradins indray no itodihan-dry zareo fa tsy ny tribunes.

 

Manaraka izany dia maro loatra sady lava ihany koa ny kabary nifandimbiasan'ireo tompon'andraikitra samihafa. Tahaka ny raharahan'ambanivohitra indray ilay izy. Tsapan'ny filoha izany ka nomarihany madinika tamin'ny kabariny. isaorana ihany koa ny minisitry ny fanatanjahantena izany raha tokony hikabary ny naleony nampita avy hatrany ny kabary ho any amin'ny praiminisitra.

 

Tamin'ny enina ora sy sasany latsaka tany ho any vao nandeha ny kabary nataon'ny filoha nilaza ny fisokafan'ny lalao.

jioi 2007: teny ampiandrasana ny fanokafan-dalao!

2007-08-10 @ 16:51 in Spaoro

Efa eo amin'ny lahatsoratra fahaefatra sahady aho raha tsy diso androany. Nanomboka tamin'ny mitatao vovonana ka hatramin'ny dimy ora izany dia mifanalagy fotsiny no ataon'ny mpijery. Tsy misy mifantoka loatra amin'ny fampisehoana ery amin'ny lafiny atsimo ery fa ny ataon'ny rehetra no ifamijerena eo. Fady ny misotro rano ao anatin'izany fotoana rehetra izany. Raha vao poritra eo manko dia ho sahirana amin'ny fivoahana sy ny fivoahana eo amin'ny toerana indray. Ary ireo tena nasiaka tsy namela ny olona (indrindra fa ny vehivavy) handingana no samy tratran'ny fahaporetana indray mandeha avy ao anatin'izany ora enina iandrasana fotoana izany fotsiny.

 

Hita teny ampiandrasana fa maro ireo miandry ny toeran'olona hafa mihevitra ny atoandro vao handeha ho eny. Ny toerana natokana ho an'ny sarambambe anefa dia amin'ny folo ora dia hipoka tanteraka. Ny zaza koa dia maro aok'izany...nefa ireo izay zatra an'i Mahamasina dia mahalala tsara fa karazan'ny fady ihany izany mitondra zaza eny izany indrindra fa amin'ity fomba fandaminan'ny malagasy eto an-toerana ity. fampijaliana ireo bitika fotsiny ny fitondrana azy eny. Ny vehivavy moa no tena maro ka tsy omena tsiny izy ireo.

 

HIta ho henjana dia henjana tokoa ny fiarovana hany ka be ireo tafiditra ny kianjabe no tsy tafiditra ny gradins satria efa mivoaka fotsiny ny sesik'olona tamin'ny karatra lafo. Mahonena ny mahita ireo maro izay sady very vola mba tafiditra ihany nefa tsy hahita na inona na inona. Saiky vakin-dry zareo ihany ny tery amin'ny fidirana amin'ny gradins atsimo saingy matanjana ny fiarovana (securité). Maro noho izany no voadaroka ary indrisy toa ny vehivavy aza no maro kokoa.

 

Tao ambadika tao ihany koa dia nahandrenesana toy ny baomba mandatsa-dranomaso indroa sa intelo akory aza ankoatra ilay afomanga diso toerana ireny ( na noheverina ho baomba mandatsa-dranomaso). Tsy nisy nanamarika io moa ny gazety ka lasa mampanontany tena hoe fa inona ireny nipoaka be tao ambadika ireny. Ny olona koa tsy hisy ho afaka hiala amin'ny toerany sao lasan'ny sasany eo. Tena miandry voka-panadihadiana tamin'izay nitranga tamin'iny fotoana iny aho aloha!

Teny ampilaharana fanokafana (2)

2007-08-10 @ 16:39 in Spaoro

Dia tafiditra tao amin'ny kianjabe tokoa ary izahay. Hatraty amin'ny vavahady manoloana ny fiangonana katolika no tafiditra izahay mirahalahy raha vavahady tokana ihany no nampidiran-dry zareo olona tamin'ny voalohany.

 

nanavatsava ny kianja ivelany filalaovana basket mazava loatra. Dia namonjy ny gradins. Zavatra hafa indray no hita tao. Efa ady sy tolona ny fitadiavan-toerana. Ny lalantsara falehan'ny olona aza efa difotra tanteraka. Ny antony? ny atsasaky ny gradins ihany no anjaran'ny sarambambe raha heverina ho ny tapakila mahafeno ny gradins no namidy. mazava loatra fa nisesika toy ny kidoro ny olona hifamotsipotsitra tao. Ny andaniny avaratra sy atsimon'ny gradins dia natokana ho an'ny atleta aloha, dia ny solontenan'ny ankizy afa-panadinana avy any amin'ny faritra ary ny sefom-pokontany niofana tao amin'ny lapan'Iavoloha.

 

Ny mampihomehy aza moa dia ny samy sarambambe indray no mifanasa vangy amin'ny lalantsara voasakana sy ny bahana ataon'ny securité amin'ny tohatra miakatra sy midina. voatery nanao lalam-poza manokana moa izahay amin'izany dia ny tohatra no nataonay fipetrahana aloha. Samy nanao tarzan izay te-hahazo toerana fa ny manaraka ny lalana dia mijoro eny no adiny. Atao ahoana moa fa izay no atao hoe te-hijery fety!

jioi 2007: Teny ampilaharana fanokafana!

2007-08-10 @ 16:26 in Spaoro

Dia hiditra amin'ny zavatra manaraka indray aho. Somary atoandro indray izahay vao tonga teny Mahamasina ny andron'ny fanokafana. Ny ankamaroan'ny olona anefa dia maraina avokoa mba hamonjena ny toerana tsara. Alao aloha marihina fa io izahay io dia izaho sy i Tokinao izay tonga eto Antoerana amin'izao fotoana izao. Vavahady tokana rey olona no mba fidirana mankao hoe dia ilay vavahady atsimo akaikin'ny sekolin'ny fahasalamana io. Ny hatevin'ny filaharana dia matavy sahala amin'ny fandehanana tongotra ihany (roa io sa telo metatra akory aza). Dia nitazana izay olona fantatra hatrany saingy endrik'olona tsy fahita no tazana. nanatena ny hisongona io an!

 

Dia voatery tany amin'ny farany mihitsy vao nijanona. aiza moa io? Efa eo amin'ny hazo atsimo atsinanan'ny vavahadiin'ny lapan'ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina io ry zareo. Efa kivy aho hoe tsy ho tafiditra intsony. I Tokinao kosa manana fanantenana hatrany satria be amin'ireo milahatra ireo no tsy nahazo ny tapakila amin'ireo milahatra ireo. Zaza amam-behivavy re izany! tena maro tokoa. Ny antitra aza moa tsy manaiky gisitra koa ny hafa ihany koa ve no tsy hiroboka? Ahoana koa ary ity fidirana tokana ity?

 

Kanjo tampotampoka teo dia nisy olona maromaro nirohotra nihazakazaka nankany amin'ny misy ny fiangonana katolika st Joseph any? Dia nirahiko moa i Tokinao hakany fa izaho kosa hiandry ny laharana ihany. Hay tena nanokatra vaovao tokoa ry zareo dia ny teo anoloan'ny fiangonana nolazaiko teo ihany. Maro indray ireo te-hiditra saingy izay manana tapakila ihany no afa-miditra e! nantsoin'i Tokinao tamin'ny finday moa aho hoe tena misy misokatra ka dia mba atao hoe vetivety ihany dia tafiditra tao amin'ny kianjabe aloha!

Jioi 2007: talohan'ny fanokafana!

2007-08-10 @ 16:13 in Spaoro

Fanintelony aho izao niverina eto izao indray ka asa na hety amin'izay na tsia? aty amin'ny cyber indray aho manko no mivoivoy kely aloha. Dia hitantara zavatra kely talohan'ny fanokafana omaly ary aho aloha alohan'izany rehetra izany.

 

Raha vao izany no atao dia ny resaka vidim-pidirana tamin'ny lanonam-panokafana aloha no raisina voalohany. Andro malaza sy tena nandrasan'ny maro fatratra manko io andro io. Tsy atao mahagaga izany amin'ny fitiavan'ny malagasy mifety. Afak'omaly ary dia resaka fitadiavana tapakila fotsiny no tena nandaniana ny andro. Re tampoka fotsiny fa any amin'ny Galana hoe no mamoaka ny tapakila. Dia notetezina avokoa ity galana rehetra fantatra aingy tsy nisy nahitana na lany avokoa no valin-teny.

 

Tao ambadiky ny pavillons Analakely vao naharenesana fa any Behoririka sisa no misy. Dia tsy maintsy hoe nankany ihany izany. Adiny roa ny filaharana tao vao nahazo tapakila iray satria izay ihany no azo novidiana. Na dia hoe iray fanampiny aza dia nolavin-dry zareo. Nojereko ny laharan'ny tapakilako fa 0914409 nefa ny an'i Tokinao izay taoriako mivantana 0914412 avy hatrany. Lasa aiza ny 410 sy 411?

 

Dia nanamarika ihiany koa olona iray fantatro fa tena nifandingana toy izao ihany koa ny tapakilany. Dia efa nieritreritra avy hatrany aho fa misy risoriso ao. tany am-pilaharana tao ampidirana anefa raha nanontany ireny manodidina ahy aho dia nanda ilay ramatoa iray. Nisesy tsara ny laharan'ny tapakilan'izy telo mianaka novidiana tany amin'ny Galana sabotsy Namehana. Dia manambara izany fa misy zavatra tsymazava ny amin'ity fivarotana tapakila ity. Izay aloha ny amin'iny!

Ny revin'ny zana-bahoaka

2007-07-24 @ 16:28 in Spaoro

Tsy maninona na somary mandany vola kely aza fa mifanentana amin’izany ny volon’andro. Mirevy amin’ny andro fety ? fety ho an’ny tanàna tsinona ka mety avokoa izay aloatry ny fientanam-po. Ho fantatry ny maro ihany ny anaran-tanàna. Hahagaga indray raha olona mipetraka eto Antananarivo sy mpijery televiziona na mpanara-baovao farafaharatsiny no tsy hahalala ihany an’i Morarano.

 

 Nampidirina tao anatina taxibe nofana manokana mankany an-tanàna ny entan’ny boaikely rehetra, loka tamin’ny nahazoany voalohany sy nandrombahany ny amboara tamin’ny alahady teo. Tsy mampaninona na mety hifamadika aza satria zavatra mitovy avokoa no azo dia fahitalavitra sy fitaovana manontolo ho entina milalao baolina fandaka ary fitaovana mahavariana ny tanora isan-karazany. Nahazo tsirairay avokoa ny ekipa iray manontolo (12 ny fitambarany). Tsy misy mitaingina fiara fa manaraka avy ao aoriana avokoa mihazakazaka sy mihorakoraka. Mampahatsiahy ny eny an-tanàna rehefa mahazo omby mifahy avy milalao baolina lavalava iny. Tamin’ity kosa dia tanora 11-15 taona no nahazo loharanom-pifalian’ny tanàna iray manontolo. Ny fiara misy ny loka sy ny amboara no solon’omby…

 

 Izay andalovana ihany koa efa nieritreritra ny haheno horakoraka ary izay tsy mahalala satria tsy liana amin’ity lalaon’ankizy ity ataony mahalala amin’izay. Iny Ankadilalana miakatra ho any Tsimbazaza iny dia mandeha toa ho any Manakambahiny amin’izay. Haheno ny horakoraky ny mpilalao sy ny mpanohana mahatratra anjatony mety hanakaiky ny anarivony mihitsy. Tsy mahalala reraky ny lalao nafana ny tovolahy fa mazoto hatrany noho ny zavatra azo. Na lahy na vavy toa mpanao fanatanjahantena vetivety teo avokoa.

 

 Niavaka tokoa ny ekipan’ny Jsm Morarano. Voalohany : tsy mba naka anaran’ekipa vaventy sahala amin’ny hoe Barça, Juventus sy Olympique ary ny hafa izy fa tanora mpikotran’i Morarano ihany no anarany. Teny frantsay ny anarana nefa efa nataon’ny fitondram-panjakana ho teny ofisialy io sy ny teny anglisy. Manaraka izany ny mpanohana izay nafana fo hatrany nandritra ny fihaonana rehetra nataon’ny ekipany. Mivondrona tsara ka nanome hery lehibe ho an’ny zanany tsy hatahotra na kely na lehibe sy mahay mifandona aminy. Samy zanak’olona sahirana koa moa nefa mahay mifanohana. Ary farany ny mpanazatrany irery ihany no nianjaika tamin’ny lalao famaranana. Nanatrika teo avokoa manko ny mpanazatran’ny ekipa nilalao nandritra ny fifaninanana. Nanome hasina ny zavatra nataony izy ka mendrika azy ireo ny fandresena.

 

 Alina vao tonga tany an-tanàna ka niara-nisakafo avokoa ny rehetra rehefa avy notsenan’izay nijanona tao an-tanàna ny avy niantafika nahazo amboara. Avy eo nisy alim-pifaliana nakotrokotroka  niarahan’ny rehetra nitsinjaka fa izay no revy antonona ny vanim-potoana e ! Dia hotsaroan’ny boaikely sy ny tanàna fa efa nahazo fandresena sy nalaza teto an-tanàna ry zareo nandresy an’Andrady II tamin’ny kitifitifi-baolina rehefa nisaraka tsy  nisy maratra tao anaty fotoana ara-dalàna.

Lavo ny andrarezina

2007-07-16 @ 13:48 in Spaoro

Izay lohateny nataon’ny Vaovaontsika izay ihany no averiko etoana. Raraka teo amin’ny 1/16n’ny famaranana avokoa manko ny ekipa roa noheverin’ny mpanatrika fa hiatrika ny famarananana tamin’ny kitra fokontany. Efa nosoratako reo ekipa roa ireo dia ny Fc Andrady I sy ny FC Totoafo 67ha. Ny ekipa voalohany dia nahintsan’ny “Ny Mpiremby” tany amin’ny tifitra ifandimbiasana rehefa avy nanao ady sahala 1 noho ny 1.  

Ny ekipa faharoa kosa dia lavon’ny Juventus Tsarafaritra (Tsimbazaza) 3 noho ny 1 be izao. Samy tany amin’ny fidirana faharoa avokoa ireo baolina tafiditra ireo. 67ha no nisantatra ny fampidirambaolina ka nanantena ny handany fotoana fotsiny avy eo. Kanjo tratran’ny patsa iray tsy omby vava fa nahatafidirana baolina 2 tao anatin’ny 2 minitra monja. Ny baolina fahatelo dia 5 minitra taorian’ny baolina faharoa. Ny tsy fahafantaran’ny Totoafo ny mpifanandrina taminy no lesoka lehibe nahavoa azy. Tsarafaritra anefa nahita ny filalaon’ny Totoafo tamin’ny fahitalavitra hatrany (Tsy dia nandeha mivantana tamin’ny fahitalavitra ny lalaon’I Tsarafaritra no tsy nahalalan’ny mpanazatra azy).

Ny mpiara-miasa amiko izay manan-janaka milalao amin’io Tsarafaritra io no nilaza tamiko fa efa zatra nibata ny amboara ity ekipa ity isaky ny misy ny fifaninanana ilalaovan-dry zareo any amin’ny faritra atsimo sy atsinanan’ny tanànan’Antananarivo.

Totoafo FC ihany!

2007-07-11 @ 17:23 in Spaoro

Lahatsoratra fahatelo avoakako androany. Malaza ho an’ny mpitia baolina fandaka amin’izao fotoana izao ny “kitra fokontany” karakarain’ny MBS Groupe ao amin’ny kianjan’ny Masindahy Misely Amparibe. Ekipa 125 tokoa ny efa nifanintsana andro maromaro izay. Efa miditra amin’ny fihodinana fahatelo moa ny lalao amin’izao fotoana izao. Katitakely eo amin’ny 11 ka hatramin’ny 15 taona no mifanintsana amin’izany. Mazava loatra fa samy manohana ny any amin’ny fokontaniny ny mpitia baolina fandaka.

 

Hita ihany koa fa misy ireo ekipa efa manana ny haizatrany tokoa na dia mbola boaikely aza no milalao ary misy no taitra tamin’ny dokambarotra nataon’ny fahitalavitra raha vao nisy ny fifanintsanana. Sarotra na dia izany aza no ahitana fahagagana fa ny mahay ihany no mety ho tafita. Mizara sokajy maromaro manko izy rehetra ka ny sokajy iray misy ekipa efatra. Dia ireo no mifampihaona ka ny voalohany ihany no tafita amin’ny 1/16n’ny famaranana.

 

Misy dia misy ireo tena miezaka sy mahay nefa manana lesoka be raha vao manao ady sahala fotsiny. Sarotra ny ahatafita raha vao resy indray monja. Na izany na tsy izany dia tsy maintsy manohana ny avy any amin’ny foktontany misy ahy ihany koa aho sady efa tafakatra amin’ny 1/16n’ny famaranana rahateo ry zareo. Totoafo FC 67ha ihany no ady eo e! Marihina fa ny tena mpifanandrina mampiaiky ny maro mpanaraka indrindra dia ny FC Andrady avy ao Itaosy nefa ho hita eo izany e!

Resy indray e!

2007-06-18 @ 06:43 in Spaoro

Ny fampahalalam-baovao ambava sy antsary dia mitovy fiteny. Zavatra mahazatra tsinona no holazaina. Ny mpakafy faraparany ity taranja baolina fandaka ity dia tsy ny faharesena na ny fandresena loatra no nandrasany fa ny hoe hahatafiditra baolina sa tsia. Tsy niraharaha izay isan’ny baolina niditra intsony ireo fa ny notadiaviny dia ny hoe hitoko ihany ve ireto ekipem-pirenena ireto. Tsy nahazo fahafaham-po tamin’izany ry zareo. Ny tena loza aza dia nahenan’ny mpanazatra indray ny isan’ny mpanafika tamin’ny fidirana faharoa hampidirana fiarovana. Tsy azon’ny mpijery baolina io nefa efa manenjika isa isika tamin’izay fotoana izay. Midika izany fa tsy fantatry ny mpanazatra izay nandrasan’ny mpijery na tsy mitovy mihitsy ny fisainan’ny mpanazatra sy ny mpijery. Baolina 14 izany no niditra tamintsika malagasy tamin’ity fifanianana Can 2008 hatao any Ghana ity nefa tsy nahatafiditra baolina mihitsy isika na dia iray aza. Resy 0 noho ny 2 manko isika tao Mahamasina omaly. Tsy te-hanoratra lava intsony ity tranga ity aho na dia be aza ny tian-ko lazaina.

Ligy Alfa: Baolina noana no ilalaovana

2007-06-12 @ 08:24 in Spaoro

Tsy mampino nefa dia tena izay mihitsy no marina. Ny mpijery rehetra dia nahamarika avokoa. Raha nanao fampitahana ny lokon’ny baolina komavoky ny vovoky ny Malagasy aho talohaloha raha baolina tena madio toy ireny vao novidiana ireny ny an’ny vahiny dia baolina noana indray no nilalaovan’ny Uscafoot sy ny Japan Actuels Manjakaray tamin’ny alahady teo.

 Amin’ity indray mitoraka ity aho dia tsy mametraka statistika noho ny tsy fahatratrarako ny fanombohan’ny lalao. Atao hoe afa-po ihany aho na dia izany aza satria nahita ny fidirana faharoa sy ny fanalavam-potoana indroa miditra ary ny fitifirana penalty. Araka ny haavo teknikan’ny lalao eto an-toerana dia nifandanja teo amin’ny vokatra ny roa tonta na dia nanindry tamin’ny lafiny rehetra aza ny ekipan’ny Kaominina nihaona tamin’ny Kartie iray eto an-drenivohitra ihany.

 Raha nanaraka ny mpilalao ny mpijery dia gaga amin’ny fanovana baolina hatrany ataon’ireo ekipa roa tonta isaky ny mivoaka ny baolina. Nihevitra aho hoe samy manana ny baolina mahazatra azy angaha ry zalahy izany. Jerena avy eo dia nitovy ihany ny safidin’ireo mpiandry tokonana roa eo ambony kianja. Teo dia efa lasan’eritreritra aho fa misy zavatra tsy mety amin’ny baolina lalaovina eny ambony kianja. Kanjo tokoa rehefa manandrana manao tifi-davitra ireo mpilalao dia hafa tokoa ny fanenon’ny baolina. Mitovy amin’izany dia tsy mety tena lasa lavitra mihitsy io baolina io na dia manezaka aza ny mpilalao roa tonta. Ny mampihomehy aza anie dia baolina mora avokoa ilay baolina maty tamin'io fotoana io e!

Hoy aho hoe dia tsy misy fitsapana baolina ve ataon’ny mpitsara ary tsy misy fanabontsinana baolina ve ao amin’ny kianjan’i Mahamasina. Lalao sangany eto amin’ny firenena no atao na dia samy avy eto Antananarivo aza no milalao. Ambin’izany moa ny tapakila fidirana izay federation malgache de football Champion’s league 2006 (fa tsy 2007) ary miampy ny laharan’ny tapakila fotsiny. Niahiahy mihitsy moa ilay olona niara-nividy tapakila tamiko hoe izy ve ity ? (hevero fa ao anatin’ny fialantsasatra izao nividianako tapakila izao fa mbola mividy tapakila hidirana hatrany izay te-hijery baolina) marihiko hatrany koa moa ireny zavatra mody bitika ireny hijerena ny lesoka amin’ny fanomanana ny lalao fialam-boly rehetra. Tsy misy fanamarihana fa nandalo tany amin’ny vaomieran’ny fampisehoana sy ny fanaovam-pety ihany koa moa ny karatra ka vao maika manalasala hatrany. Sa kopaka isasahana ? 

Raha nijery ny famerenana C.Iv. sy Mad

2007-06-09 @ 11:51 in Spaoro

Nalefa tamin’ny televiziona malagasy tamin’ny alakamisy alina teo ihany ilay lalao famerenana nihaonan’ny Ivoariana sy ny Malagasy. Lalao izay efa fantatra ny valiny fa nomontsanin’ny Ivoariana isika. Tsy hoe resy isika dia hangina amin’ny toe-javatra sahala amin’ireny fa mba liana ihany koa ny tena hamantatra ny antom-paharesena. Izay angamba ilay fitiavana.

 Andeha aloha hamantatra ny nolazain’ny mpanao gazetin’ny radio nasionaly isika. Nanao fampitahana ny lalao famerenana teo amin’ny roa tonta izay natao tany Cote d’Ivoire moa Atoa Daniel Randriamaro. Hoy izy hoe tamin’ny fotoana nahasangany irery an’i Bakayoko dia montsana 6 noho ny 0 isika tamin’izany fotoana izany. Tamin’ity fotoana ity kosa dia sangany any Eoropa avokoa no nantsoin’ny mpanazatra ary izy 11 nilalao voalohany ka 5 noho ny 0 no azo, izany hoe araka ny nolazainy dia efa nihena aloha ny isa tafiditra tany na dia montsana aza isika. Mazava loatra fa resaka fampaherezana ny ekipa mbola hiatrika ny lalao famerenana amin’ny Gabon no anton’izay filazana izay.

 Nahavariana tokoa moa fa dia tao anatin’izay fisainan’ny fankaherezana izay angaha no nentin’ny filoham-pirenena nanolotra baolina 22 ny ekipam-pirenena. Ny alakamisy manko dia nampanantsoin’ny tao amin’ny fiadidiana ny filoham-pirenena ny filohan’ny federasiona. Angamba efa nangovi-bady mihitsy Atoa Ahmad tamin’io fotoana io. Zavatra hafa mihitsy no nandrasan’ny mpanara-baovao fanatanjahantena indrindra fa ny baolina fandaka manokana nefa dia fanampiana no namalian’ny filoham-pirenena izany. Fandroahana mpanazatra na tompon’andraikitra hafa no nampirangaranga ny betsaka nefa diso fanantenana izay niandry izany. Karazana fahatsapana fahadisoan-kevitra tamin’ny fandroahana voalohany sa tsy fitiavana Frantsay fotsiny izao ?

 Izay nankafy ny ekipa breziliana ka nahatsiaro ilay faharesena tamin’ny mondial iny dia mety hahatadidy ny fomba fanoratry ny mpanao gazety nilaza io ekipa sangany io. Raha azoko natao dia naveriko daholo ireny teny rehetra ireny. Azo fehezina hoe tsy ireny mihitsy no filalaon’ny Malagasy ary tsy tahaka ireny ihany koa ny toe-tsaina nentina niatrika iny lalao iny. Gaga ihany ny tena mahita isan’andro fa misy ny atao hoe mpikarakara ara-tsaina ao amin’ity ekipa ity fa tsoriko hoe tsy nanao ny asany izy raha tsy hoe nisandoka fahaizana fotsiny angaha. Izay iray nalehany na ny mpanazatra no tsy mahalala akory ny mpilalaony na noterena tamin’ny fomba filalao tsy mahazatra azy ireo mpilalao ireo. Ny mpilalao notsongaina ankoatra ny mahatanora azy dia heveriko fa noho izy ireo mpanao tolotolotra madinika sy mandady amin’ny tany (tranonkala hoy ny mpitantara fahiny). Izay fomba filalao izay manko no andrasan’ny mpijery eto an-toerana (Antananarivo) na dia mety tsy ho ao loatra aza ny vokatra. Nefa ilay lalao hita farany dia ny langalanga sy ny taritarika no tena betsaka. Izany hoe sady be no tia tena, na te-ho vedety, no tsy misy loatra no tolotra tsara nomena ny namana. Raha io fomba filalao hita farany io no jerena dia tokony ho ny As Adema no nalefa tany Cote d’Ivoire. Ry zareo Adema manko no tena havanana amin’io fomba filalao natao tany ivelany io nefa tsy nisy avy amin-dry zareo nantsoina na dia manana ny fahaizana aza toa an’i Tholix izay vodilaharana ankavia te-hiakatra amin’ny irakiraka na fanafihana ankavia mandrakariva.

 Voamariko fa tsy nisy tolotra nataon’ny mpiandry tokonana ny fiarovana mihitsy tamin’io lalao io fa dakabe nankany aloha fotsiny no fetra. Tahaka ny hoe manao izay hanalana ny baolina tsy eo akaiky fotsiny no natao mba tsy hahafaty betsaka sy haingana ny mpifanandrina amin’ny tena. Izay baolina nalefa tany aloha izay anefa dia Tsy misy azon’ny mpanafika malagasy izay sady fohy ny kely ny baolina avy amin’izany. Mazava loatra fa ny misambotra ny baolina eny ampelatongotry ny tompontany no tena lahasan’ny irakiraka afovoany fa tsy ny mizara baolina loatra. Ary raha nisy aza ny rindran-damina somary tsaratsara dia tsy azon’ny tokony hamono baolina hatrany izay tolotra farany avy eny amin’ny elatra.

 Manaraka izany dia tsy tao mihitsy ny toe-tsaina hiatrika ny lalao araka ny efa nosoratako teo ambony ihany. Marihina aloha fa ny baolina rehetra matin’ny Ivoariana dia avy any amin’ny elatra havanan-dry zareo avokoa. Tahaka ny maneho hoe any ihany no lalana ahafatesana baolina. Tsy fantatra intsony izay tena marina fa tahaka ny kapiteny Jimmy no nitana iny faritra iny. Maimaika tsy amin’ny antony ny mpilalao fa tsy mametraka ny fomba filalaony hitazona baolina hanova endrika ny lalao. Tahaka ny manilika baolina fotsiny no natao.

 Nisy aza fanafihana indray mandeha efa nitaritarika ilay mpilalao iray nefa dia nosarihin’ny namany ho azy indray ilay baolina avy eo. Azo fintinina fa tsy nisy lalao iraisana mihitsy nasehon’ny mpilalao malagasy nandritra ny 90 miniotra fa samy manao izay saim-pantany ka dia dobo tanteraka ny isa avy eo. Hita mihitsy ohatra rehefa amin’ny lalao goavana fa rehefa misy fotoana maty fa naratra mila tsaboina nympiandry tokonana dia eo no manararaotra manome toromarika indray ny mpanazatra. Tsy nisy mihitsy izany teo amin’ny mpanazatra malagasy nefa indroa notsaboina i Bruno Jaozara. Tsy mahagaga ny mpanao gazety Ivoariana raha nila resaka taminy ary dia namaly tokoa ilay mpanazatra. Rikoriko tanteraka aho nahita ilay toe-draharaha.

 Eto ampamehezana dia voamarika fa indray ihany no nandaka baolina an-joro ny malagasy raha nahatratra sivy izany ho an’ny Ivoariana. Manaraka izany dia mitovy ny isan’ny fahadisoana teo amin’ny Malagasy sy ny Ivoariana saingy ny isan’ny karatra mavo no nahazo roa ny malagasy. Nanana baolina tokony ho tafiditra (Occasions de buts) efatra (telo sy iray) ny ivoariana raha telo kosa (fidirana faharoa avokoa) ny an’ny Malagasy. Ny isan’ny tifitra kosa dia 11 (dimy ny tamin’ny loha) ny an’ny Ivoariana raha 7 izay iray monja no nanandrify anaty tolana ny Malagasy. Marihina fa ilay baolina tafiditry Didier Drogba dia hitako mihitsy fa nihoatra alohan’ny vodilaharana izy vao taty ampiaingana mihitsy. Dimy rahateo ny azy no tratran’io nihoatra ny vodilaharana io izy raha tsy nanao izany mihitsy ny malagasy izay tsy nanana mpitifi-baolina mihitsy tamin’io andro io. Soratako etoana ihany koa fa tsy mahay maka sary mihitsy ireo mpaka sary Ivoariana raha jerena amin’ity lalao ity fotsiny. Enga anie ka ho diso ny eritreritro.

Alfa: AS Adema 1 - 1 Uscafoot

2007-04-23 @ 08:33 in Spaoro

 Tsy fantatro loatra ny tena fanalavana ny Alfa fa ny fahazoako azy dia hoe Analamanga League Football Association. Resaka baolina fandaka izany no resako eto. Enina hatrany ny isan’ny lalao ao anatin’ny andron-dalao iray eto amin’ny Alfa maro ekipa indrindra. Mikantona moa amin’izao fotoana izao ny kianjaben’ny Mahamasina koa dia eny amin’ny kianjan’Alarobia avokoa no notanterahina ny fihaonana. Lalao telo no notanterahina ny Asabotsy ary Alahady koa telo toy izany. Tamin’ny lalao omaly ary dia resin’ny Japan actuel’s 2 noho 1 indray ny Ajesaia. Tsy mety afa-bela amin’ity ekipa iray ity noho izany ny tompon’ny amboaran’i Madagasikara tamin’ny herintaona (2006). Lalaon’ny tanora vao misandratra raha jerena amin’ny ankapobeny na dia manana ny traikefa kokoa aza ny Japan. 

Lalao setrasetra :

 Fa ny lalao natrehiko manontolo ihany no tena azoko resahina eto.Lalaon’ny mpirahalahy mifandrafy, lalaon’ireo mifankafantatra tsara nefa tahaka ireny tsy hahay hifandray ireny. Lalaon’ny samy ngeza raha ny tena marina. ny Uscafoot tsy maintsy mandresy raha te-hanana toerana tsara kokoa ahafahany miatrika ny dingana manaraka, ratsiratsy ihany manko ny laharana misy an-dry zareo hatramin’izao fotoana izao. Ny Adema kosa tsy hanaiky lembenana fotsiny amin’izao sady hiaro ny voninahiny hatrany.

 Fizaram-potoana voalohany :

 Ny Uscafoot manao fanamiana mavo manontolo avy avaratra no manafika mianatsimo. Ny Adema kosa miakanjo fotsy ranoiray avy aty atsimo no mitodika mianavaratra. Ny Uscafoot no nandaka ny baolina voalohany. Nihahenjana avy hatrany ny lalao ary nifamaliana ihany koa ny fanafihana saingy nanana ny tombony kokoa ny Adema. Nisy fanafihana iray an’ny Adema avy amin’ny ilany ankavia. Nanavatsava tao anaty tokonana lehibe ( surface de réparation) ilay mpanafika (angaha moa misy fantatro loatra ry zalahy e ! izaho koa moa variana amin’ny fijerem-baolina nefa manadino ny laharan’ilay mpilalao). Natsipiny ho any amin’ny mpanafika amin’ny ilany ankavanana indray izany.  Nijijijijy ihany koa iley io nefa tsy nahita lalana hitifirana koa dia nanolotra izany indray ho any amin’ny ankavia somary afovoany kokoa. Nalalaka dia nalalaka ranamana ka afaka nikendry tsara ny hampidirana ny baolina. Tany amin’ny ankavian’ny mpiandro tokonana no nampidirany ny baolina. Vao minitra fahafito monja tamin’izay fotoana izany. 1 noho 0 ny lalao ary dia nandresy ny Adema hatreo.

 Taitra tamin’ny torimasony ny ekipan’ny Kaominina. Niezaka ny nanindry saingy mailaka ihany koa ny fiarovan’Ivato seranana. Mandeha daholo na daka na kapakapa. Miha-tsy maharaka ny mpitsara. Miniotra faharoa, nanao fahadisoana ny Uscafoot saingy tsy hitan’ny mpitsara, tonga dia nikapa tongotra ny naman’ny Adema. Nivandravandra loatra ka hitan’ny mpitsara. Saiky raikitra avy hatrany ny ady amparimbona. Tsy maintsy namoaka karatra mena tsirairay avy ho an’ny mpilalaon’ny andaniny sy ny ankilany ny mpitsara. Samy nilalao folo ny ekipa roa nanomboka teo.

Niezaka ny nitady isa ny Uscafoot saingy voafehin’ny Adema kokoa ny lalao tamin’ity fizaram-potoana voalohany ity. Ny valim-panafihana no tena heriny teto.

 Antontanisan’ny fizaram-potoana voalohany : 

  • Ny isan’ny baolina tafiditra dia 1 ho an’ny Adema ary 0 ho an’ny Uscafoot.
  •  Ny isan’ny tifitra dia 2 ho an’ny Adema ary 4 ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny baolina nivoaka fotsiny fa tsy tifitra dia 2 ho an’ny Adema ary 4 kosa ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny daka anjoro kosa dia 2 ho an’ny Adema ka 3 kosa ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny Position de hors jeu dia 4 ho an’ny Adema ary 1 kosa ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny karatra mavo dia 1 ho an’ny Adema ary 1 ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny karatra mena dia 1 ho an’ny Adema ary 1 ho an’ny Uscafoot.

 Fizaram-potoana faharoa :

 Niezaka ny nifehy baolina amin’izay ny Uscafoot. Saiky nidongy tany amin’ny kianjan’ny Adema aza ny baolina nandritra ny dimy miniotra voalohany. Iray monja anefa ny tena mpanafika avy ao amin’ny Kaominina ka sarotra ho azy ireo ny mitady irika. Mahery vaika kosa ny fanafihan’ny Adema hany ka manao fihetsika mahery vaika hatrany ny fiarovana avy ao amin’ny Uscafoot. Izay no nahatonga ny karatra mavo betsaka kokoa ho an’ny Uscafoot tamin’ity fizaram-potoana faharoa ity. Fanafihana tany amin’ny ilany ankavanana, hazakazaka tsy misy tahaka izany no nahatonga ny fingana tanaty tokonana lehibe nahazoan’ny Uscafoot ny penalty. Tezitra ihany ny mpanazatra sy ny mpanohana ny Adema ka manao hoe ampiana fotsiny ny zanaky ny Patirao izany. Tsy manana mpampidi-baolina tokoa aloha ny Uscafoot e ! Io penalty io ihany koa izany no nahazoan’ny Uscafoot ny isa tokany. Miniotra faha-55 indrindra tamin’izay fotoana izay.

 Nifamaliana ihany ny fanafihana taorian’izany saingy tsy nahitam-bokany loatra intsony. Ny 15 miniotra farany no tena saiky nahatafidiran’ny andaniny sy ankilany baolina saingy tsy nisy nahay nanararaotra izany ry zareo. Mbola amin’izay aloha ny haavo teknikan’ny mpilalao malagasy hatramin’izao : tsy mahay mitifitra na dia baolina atosi-potsiny hiditra anaty harato aza tsy hay.

 Antontanisan’ny fizaram-potoana faharoa : 

  • Ny isan’ny baolina tafiditra dia 0 ho an’ny Adema ary 1 ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny tifitra dia 6 ho an’ny Adema ary 6 ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny baolina nivoaka fotsiny fa tsy tifitra dia 3 ho an’ny Adema ary 2 kosa ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny daka anjoro kosa dia 3 ho an’ny Adema ka 2 kosa ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny Position de hors jeu dia 1 ho an’ny Adema ary 0 kosa ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny karatra mavo dia 0 ho an’ny Adema ary 3 ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny karatra mena dia 0 ho an’ny Adema ary 0 ho an’ny Uscafoot.

 Antontanisan’ny lalao manontolo 

  • Ny isan’ny baolina tafiditra dia 1 ho an’ny Adema ary 1 ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny tifitra dia 8 ho an’ny Adema ary 10 ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny baolina nivoaka fotsiny fa tsy tifitra dia 5 ho an’ny Adema ary 6 kosa ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny daka anjoro kosa dia 5 ho an’ny Adema ka 5 kosa ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny tsipy an-tanana dia 15 no nataon’ny Adema nefa 17 kosa ny nataon’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny Position de hors jeu dia 5 ho an’ny Adema ary 1 kosa ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny karatra mavo dia 1 ho an’ny Adema ary 4 ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny karatra mena dia 1 ho an’ny Adema ary 1 ho an’ny Uscafoot.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox