Anarana jentilisa ny anarana hoe Jesosy

2008-11-29 @ 11:00 in Finoana

Ataoko fa anarana tsy vahiny amintsika intsony ny hoe Jesosy ilazan'ny kristiana eto Madagasikara ny Tompony sy Mpamonjy ny tenany. Maro ny mifikitra amin'izany anarana jentilisa hoe Jesosy izany na dia misy aza ny fitadiavam-pifanarahana eo amin'ny fiangonana eo anivon'ny FFKM hampiasa ny anarana iray ifanarahana hoe "Jesoa" izay tsy manahirana ahy koa ny manonona azy. Ny fikambanam-pivavahana kristiana sy ny fiangonana vaovao dia saiky mitana avokoa ilay anarana hoe "Jesosy". Ny Fiangonana Loterana Malagasy kosa ny eo anivon'ny FFKM no mifikitra tanteraka amin'izany anarana izany ihany koa, na dia eny anivon'ny fivavahana iraisan'ny FFKM aza, ny telo hafa kosa dia mampiasa tsara ilay anarana hoe "Jesoa".

Raha tonga teto anivon'Imerina ny misionera avy amin'ny LMS tamin'ny fotoana nanjakan-dRadama Rainy dia nampiasa io anarana hoe Jesosy (vakio hoe Jesaosy noho ny olona avo dia avo feo rehefa nitory teny tamin'izany fotoana) io satria izay no nifanakaiky tamin'ny fanonona anglisy hoe Jesus (vakio hoe Jizasy) nahazatra azy. Ny Jesus kosa avy amin'ny teny grika hoe Iesous. Mahafantatra tsara isika, jereo izay anarana Grika manodidina antsika fa saiky manana izay anarana miafara "s" izay avokoa izy rehetra. Ny Grika nametraka ny anarany teto Antananarivo aloha dia i Vassacos nanana toeram-pivarotana teo Antanimena naharaikitra ny anarany eo amin'ny toby fiantsonan'ny fiara mankany Ivato io. Eo amin'ny Jiosy anefa rehefa tsy Jiosy dia Jentilisa izay, koa mazava loatra fa anarana jentilisa izany ilay anarana hoe Jesosy. Koa mahavariana ihany raha misy ny mpivavaka no manaratsy na mihevitra ho zava-dratsy ny teny hoe jentilisa nefa ny anaran'ny Tompony aza nofikirina avy amin'ny anarana jentilisa.

Ny anarana nakan'ny Grika (jentilisa) ilay anarana hoe Iesous kosa dia avy amin'ny anarana jiosy manao hoe Yeshua, tsy moana ny anononana ny "a" farany. Mazava loatra fa nokarohina fatratra ny hitady anarana atao marimaritra iraisana teo amin'ireo mpitari-pivavahana kristiana Malagasy. Ny katolika nandefitra ny anarana hoe Zezo na Zezò(niavian'ny anaram-pikambanana hoe Zezoita) avy amin'ny teny latina hoe Gesu Iesu (misaotra nanitsy ô!). Ny hafa kosa nampirisihana hanala ny "S" farany amin'ny anarana ka nisy ny nanaiky satria mifanakaiky kokoa amin'ny anaran'ny Tompo aza izany satria ny Tompo ho an'ny kristiana dia Jiosy fa tsy jentilisa tsy akory. Noho izany, tsy hitako loatra ny nametrahana ho fehinkevitry ny KMSL (komity Maharitry ny Sinaoda Lehibe) ao amin'ny FLM tamin'ny 12 - 19 novambra 2008 tany Tsaramandroso Mahajangà I lasa teo fa tsy maintsy ny anarana hoe "Jesosy" no ampiasaina ao ampiangonana. Tsy nahala devoly ve ny nanononana ny hoe "Jesoa" tamin'ny asan'ny Mpiandry? Miangavy izay mahalala ny antony aho hamaly eto raha azo atao. Misaotra indrindra!

Mbola resaka hafa ihany koa ny amin'ny Hira ao am-piangonana fa aleo amin'ny fotoana hafa indray izany.

Tiko, Savonnerie tropicale, Daewoo logistics.

2008-11-26 @ 22:17 in Toekarena

Ataoko fa tsy mbola nisy resaka mafana momba ny toe-karena tahaka ny amin'izao fotoana izao eto Madagasikara. Miezaka fatratra ny maneho ny heviny ny mpitantana orinasa André Ramaroson ary hita sy re mandrakariva tao ho ao.

Hiainga amin'ny orinasan'ny filoha ankehitriny indray aloha ny resaka androany, nalaza tamin'ny fe-potoana voalohany nitondran-dRavalomanana fa tsy navela hivoaka ny faritry Vakinankaratra ny ronono. Nitady lalana manko ireo tantsaha ireo fa mora loatra no sady mamaly ny volan'ny tantsaha ny tiko. Ny vidin-rononony anefa no takiany fa tsy inona loatra. Vao hitany fa mitady hivarotra ivelan'ny faritra ny tantsaha dia ny Lehiben'ny faritra mihitsy no manome baiko hisakana azy ireo. Manjary tsy mihodina manko ny orinasa raha mitsoaka avokoa ny akora ilainy.

Ankehitriny indray, niampy ny raharaha, any amin'ny menaka ankehitriny no misy ny olana. Olana manao ahoana moa? Hitan'ny mpitantana ny orinasa tiko indray angamba fa tsy dia mandeha ny varotra menaka any amin'iny faritry Vakinankaratra iny ihany raha oharina amin'ny faritra hafa dia miandry kendry tohina ireo mpandraharaha madinika misahana ny raharahana menaka indray ny mpitondra sasany any amin'iny faritra iny ihany. Nitaraina tany amin'ny Conecs,izay mihetsiketsika fatratra amin'izao fotoana, ny mpandraharaha momba ity menaka ity fa anaovana ramatahora izay rehetra mitondra akora ahodina ho menaka any amin-dry zareo, tsingolohana ihany koa ny zavatra rehetra ataony amin'izao fotoana izao. Izany hoe atao izay fomba hanakatonana ny orinasa mba hanjaka tokana ny tiko oil products. Raha misy manko ny tranga tahaka izany dia izay mahazo tombotsoa amin'ny fisian'ny tranga no jerena dia mazava ny mety ho fisian'ny baiko mahatonga izany toe-draharaha izany. loza tokoa anie rehetra tratran'ny ampihimamba te-hihinambe e!

Miresaka menaka ihany isika dia lasa any amin'ny menaka voanio ny saina. Hay tokoa moa toa samy mamboly voanio haodina ho menaka na ny tiko na ny savonnerie tropicale, ary mieritreritra ny hiditra amin'ity taranja iray ity ny orinasa efa fantatsika amin'izao fotoana dia ny Daewoo Logistics izany. Ny fantatry ny rehetra aloha dia mpanao savony ny savonnerie tropicale fa ny adinon'ny rehetra kosa dia mpamoly voanio ahodina ho menaka koa izy. Fa lasa ny saiko hoe sao dia izay no tena nikofohan'ny savonnerie tropicale manokana tamin'iny herinandro iny fa nahare siosio izy ny amin'ny hisian'ny mpifaninana vahiny aminy eto Madagasikara ka mety ho difotra izy raha tonga izany orinasa vahiny izany, na hampihena ny sandan'ny menaka voanio fanondrany izany raha be loatra ny vokatra izany hoe raha be loatra ny tolotra miohatra amin'ny tinady dia mody any amin'ny savony no resaka. Izaho izay mieritreritra hery vahiny ho mamingana nefa hay moa misy tombotsoa malagasy voantohintohina. Ny olana ho ahy etsy ankilan'izay dia ny tsiahy an-tsaina fa toa manana tanim-boanio koa ny tiko saingy misalasala ihany aho, heveriko fa misy antony manko matoa misy tiko oil products amin'iny faritra atsinanana iny.

Tsikaritra iray tamin'ny fanambaran'ny vondron'ny fiaraha-monim-pirenena kosa no hamaranako ny androany. Resaka momba ny harena an-kibon'ny tany, anaovana tolo-bidy iraisam-pirenena manko ny tahirim-by any amin'ny faritry Soalala, ka raha ny fijerin-dry zareo (Conecs, Sefafi, Fedmines, CDE, Kmf/Cnoe) azy dia azo tombanana ho mitovy amin'ny fampiasam-bola any Ambatovy sy Faradofay ny fampiasam-bola hitrandrahana an'i Soalala. Heverin-dry zareo fa noho ny krizy mihatra dia tsy fotoanan'ny fanaovana tolobidy mihitsy izao fa tokony ahemotra ny fanokafana ny tolo-bidy (izay tokony ho vita ny 18 novambra 2008 lasa teo raha araka ny fanambarana) satria matahotra hampiasa vola ny olona amin'izao fotoana izao, noho izany ahiana hivadika ho varoboba ilay tolobidy.

Manaraka izany ihany koa dia angatahin'izy ireo mba haka tahaka an'i Ginea, RDC ary Niger i Madagasikara ny hamerenana ny fandinihana ny fifanarahana amin'ireo orinasa iraisam-pirenena (Eto dia ny Sheritt sy ny QMM) satria varodraikiraiky no nifanaovana tamin'izy ireo ka matiantoka tanteraka isika. Dia hoy ny eritreritro hoe nahay nihetsika ny mpandraharaha ka toa hita hoe aiza ny fahalemen'ny filoha ary dia izay no mahatonga azy manome baiko ny Praiminisitra amin'ny hametrahana ny lasitra sy ny lalàna momba ny antoko politika (izay tsy hitako intsony ny heriny amin'izao fotoana izao) ho fanodinan-dresaka sy olana aloha!

Daewoo, Uranium, Andry Rajoelina samy raharaha mafana vay

2008-11-25 @ 21:01 in Toekarena

Ho fanombohana aloha dia mitohy toy ny tsy manam-pitsaharana fa mirotsaka isan'andro ny orana eto Antananarivo. Tsy misaraka amin'ny elo sy ny akanjo aro orana izany izay manana izany, fa ny matanjaka sy izay tsy mahatakatra kosa mionona amin'ny akanjo fitondrany mandrakariva.

Manaraka izany, nametraka ekipa vaovao fanta-daza indray Atoa Andry Rajoelina Ben'ny tanànan'Antananarivo. Niditra ho ekipany koa manko Atoa Ny Hasina Andriamanjato sy Rtoa Elia Ravelomanantsoa. Nahay nisafidy kosa ny lehilahy tamin'ity indray mitoraka ity satria olona mahalala tsara ny atao hoe fitantanana ireo olona nosafidiany ireo. Azoko lazaina fa tokony ho tsara aro amin'ny asa ataony i Andry TGV nisafidy ireo olona ireo.

Dieny mbola tadidy, ataoko fa manana fifandraisana amin'ny mpitantana ny madarail ity ekipan'i Andry TGV ity satria vao lany kelikely izy dia nampitsangatsangana ny ankizy tamin'ny masinina izay tsy mbola nitaingina izany hatrizay niainany. Ankehitriny, re siosio ny amin'ny hanitarana iny lalana manamorona ny fefin'i madarail eny Tsaralalàna iny (petite vitesse). Ravana ny fefy ary ahemotra mihitsy mba hahazaka fiara efatra miara-milahatra. Heveriko fa anisan'ny hevitra tsara dia tsara izany raha tontosa satria tena mampijaly ny mpandeha mihitsy iny lalana iny. Ny tena olana anie dia ny fiara mijanona anaty arabe ka tokana sisa no ahafaha-mizotra e! Fa na izany aza efa tena misy tsirin-kevitra mahafinaritra aloha izay.

Ny lesoka amin'izao fotoana izao aloha dia ny fako izay miely loatra indray fa toa hoe tsy misy mpaka hoe. Ny lesoka faharoa kosa hitako tamin'ny vohikalan'ny tanàna ny fihofahofan'ny saina USA nefa tsy nahitako ny saina Malagasy etsy ankilany. Tena hentitra aho amin'io lafiny io ka nahatonga ahy hanoratra hoe hanonofy inona tamin'ny alina nahalanian'i Obama iny.

Hiditra amin'ity resaka Daewoo ity amin'izay aho, raha nahavaky azy voalohany aho dia tsy nino. Nilazana aho fa gazety matotra anie izany Financial Times izany. Eny, hoy aho, fa ny tao an-tsaiko dia ny nanjò ny Serba ka nahatonga io Kôsôvô io hahaleo tena. Ny Mpanao gazety tandrefana no tena nampiely azy voalohany ary nitongilana avy hatrany tamin'ny Albaney: mody niainga tamin'ny hoe Kôsôvara miteny Albaney aloha ary etsy ankilan'izany ny Serba lazaina hoe Serban'ny Kôsôvô. Mametraka avy hatrany izay filaza izay fa ny Serba dia vahiny -nanjanaka- fa ny tena Kôsôvara dia ireo miteny albaney. Aty aoriana dia nekena ihany, rehefa tsy taitra intsony ny mpanara-baovao, fa Albaney hay ireo  nolazaina fa Kôsôvara tamin'ny voalohany ireo. Fiadiana nahery vaika nenti-nanosoram-potaka ny Serba na taiza na taiza ny Haino aman-jery Tandrefana tamin'ireny fotoana ireny. Tranga iray nahataitra ahy tamin'izany ny nilazana fa nodarohana baomba ny fiara fitaterana feno ankizy Miozolmana ka ny Serba no nidaroka baomba io fiara io. Rehefa natao anefa ny fandevenana ireo ankizy ireo dia fasana misy lakroa ôrtôdôksa no nandevenana ny ankizy tondroina eo amin'ny filazana fa Miozolmana. Misy lainga izy izany, hoy aho nahatsikaritra.

Toy izany ihany koa ity resaka Daewoo ity araka ny eritreritro, tafiditry ny mpikarama an'ady indray ny mpanao gazety tandrefana (mba tsy hanamelohako befahatany ny haino aman-jery tandrefana). Ny tena nampahomby ny lainga, araka ny fijeriko azy tsy maintsy misy ampahany marina ihany ny vaovao. Ny ampahany marina dia nihaona tamin'ny filoha Ravalomanana tokoa ny mpitantana ny Daewoo, ary ny tatitra nataon'ny tvm (sa mbs?) tamin'iny volana oktobra iny na fiandohan'ity volana novambra ity dia fifanarahana eo amin'ny fitrandrahana Oraniôma no notadiavina. Tsy nisy ny resaka fanofana tany henoko aloha tamin'io fotoana io. Heveriko fa nisy nialona ny Koreana tamin'ity lafiny iray ity raha io no itabatabana satria ity vaovao momba nyangovo iray ity mihitsy no tena kendreny ravana araka izay azony atao. Izay araka ny hevitro no nanaovana ilay vaovao "lainga" sady fihantsiana hoe "fanjanahantany vaovao". Fantatry ny mpanara-baovao eto an-toerana manko fa misy io fitadiavam-piaraha-miasa hitrandraka oraniôma io. Hatramin'izao aloha dia tena tsoriko fa tsy mino ny fisian'ilay fifanarahana fanofana maimai-poana ny tany aho. Fandranitana ranofotsiny io amiko hamelezana izy fifanarahana momba ny Oraniôma mety mbola tsy renareo any ivelany mba hahatonga ilay fitenenana hoe indray fa mbola koreana ihany.

Ny tena mahavariana amin'ity lafiny ity dia izao, toa tsy nisy ny nihorakoraka raha lasan'ny Frantsay (amin'ny alalan'ny total) ny ampaham-bola betsaka amin'ny fitrandrahana an'i Bemolanga izay solika kosa no trandrahana any. Raha tsy diso aho dia maro ny orinasa vahiny (izay Eoropeana tandrefana sy Amerikana Tavaratra no mahazo ny ampahany be raha tsy izy manontolo) mifampizara amin'ny fitrandrahana ny harena an-kibon'ny tany (solika no tena fantatro) manerana ny faritra andrefan'i Madagasikara tsy nisy ny nimenomenona (tena tsy faly kosa aho aloha tamin'izany saingy nangina, toetra gasy, sady fantatra fa tsy hahatrandraka samirery izany mihitsy ny Malagasy) koa tsy hitako intsony izay himenomenonana raha mba mahazo zaratany hitrandrahana ihany koa ny Koreana Tatsimo, tsy milaza velively izany soratro izany fa ankasitrahako ny fitrandrahana ataon'ny vahiny ny harena an-kibon'ny tany Malagasy. Tena mpitaky ny fiandrianam-pirenena madiorano amin'ity harena ankibon'ny tany ity aho fa tsy izaho moa no mitondra.

Fehiny, misy tombotsoa vahiny ninia nanaparitaka ity vaovao ity satria tsy azony ny tsena ary heveriny fa tokony ho izy no mitantana ny fitrandrahana ilay Oraniôma dia alainy baraka aloha ny mpifaninana aminy ary tifiriny ankolaka ihany koa ny mpitondra Malagasy. Tsaroako fa voalaza tamin'ny gazety lakroa ity na dia tamin'ny andron'ny sivana aza (repoblika faharoa). Nilaza fa hamantatra raha misy solika tamin'iny faritra avaratra andrefana iny ny Amerikana. Naka mpiasa malagasy izy hiasa ho azy amin'ny fikarohana izay mety ho fisian'ny solika. Rehefa somary tafatsoropaka anaty tany lalindalina tany anefa ilay fitaovam-pamantarana dia niato kely ny asa. Nasaina namonjy vady aman-janaka hiala sasatra vetivety ireo mpiasa malagasy. Nandritra izany anefa dia nanohy asa ihany ireo Amerikana ka rehefa azony izay nilainy dia nolaloriny simenitra ilay lavaka nohadiana. Nilaza ry zareo fa diso satria tsy nisy solika hay ilay toerana ka aleony mody satria tsy manan-kantenaina. Ireo mpiasa Malagasy nilaozana kosa nangaihay sady nahatsapa tany anatiny tany fa tsy solitany no nanakaramana azy ireo fa mety ho Oraniôma. Azony izay notadiaviny dia iny ny Amerikana fa nikopak'elatra. Tsiaroko amin'ny maha-mpamaky gazety malagasy ahy izay. Na iza na iza rehefa manao zavatra izy indrindra fa fandraharahana dia ny tombotsoany no tena katsahiny koa asakasak'izay tsy hiaro no rambony aloha!
 
Fanampiny: Efa nolazaiko fa tsy maintsy misy ny zavatra marina kely (na dia anaran'olona fotsiny aza) soratana mba hahombiazan'ny lainga. Nitsidika ny filoha Ravalomanana, araka ny nolazain'ny Madagascar Tribune tamin'ny faran'ny volana oktobra,ny delegasiona mpandraharaha Koreana Tatsimo notarihin'ny filohan'ny Orinasa Daewoo Madagascar, Kim Kwon Lin, niaraka tamin'ny PDG Kores Resources Corporation, Kim Sihng Jong, ary ny solontenan'ny Daewoo Logistics Corporation, Yong Nam Ahn, ary koa ny filoha lefitry ny orinasa Posco EC, Jeong Tae Hyun, izay nitatitra tamin'ny Filoham-pirenena ny fandroson'ny asa ampiasany vola eto Madagasikara. Araka ny loharano ofisialy moa dia mampiasa vola any amin'ny sehatry ny fananantany, harena ankibon'ny tany ary ny fitrandrahana Nickel any Ambatovy, ary koa eo amin'ny sehatry ny fiompiana sy ny fambolena ireo mpandraharaha ireo. Mikasa ny hiditra lalindalina kokoa amin'ny sehatra efa nidirany ry zareo. Na dia manana ny hevitro aza aho, ataoko fa azonareo tsara ny mamakafaka ny toe-java-misy avy amin'io fanampiny nosoratako io.
 
 
 

Nahoana no hamaham-bolongana momba an'i Afrika[Pourquoi bloguer sur l'Afrique]?

2008-11-23 @ 10:14 in Ankapobeny

Notratrarin'i Jogany aho ka dia hiditra amin'ilay lalao ihany koa. Ataoko fahafinaretana na dia amin'ny teny malagasy aza no anaovako azy. Théophile Kouamouo izay Ivoariana, anisan'ny mpamaham-bolongana mpiteny frantsay manana ny lazany no nanainga indray ity karazan-dalao ity: "rojom-bolongana" hijery na/sy hiresaka momba an'i Afrika. Mandritra ny tapabolana no andrafetana izany rojo izany.

Hafa mandrakariva manko ny fijerin'ny hafa an'i Afrika. Tsy te-hitanisa lalina izay fijery matroka momba azy aho fa izay tadivina adinoina no havandravandrako. Vao miteny hoe Afrika manko dia olona mainty hoditra mandrakariva no ao an-tsaina voalohany, hany ka tsy mahagaga raha misy mandrakaviva ny miteny fa Madagasikara dia tsy Afrika. Ekena tokoa fa ny maro an'isa indrindra amin'ny Afrikana dia ny mainty hoditra nefa na dia ny loko mainty aza dia misy isan-karazany ihany koa fa misy ny ngizina ary misy ny somary mazavazava.

Azo lazaina ihany koa anefa fa manana ny volonkoditra isankarazany indrindra toy ny avana ihany ny mponina eto Afrika ary antsoina hoe Afrikana. Na dia taranak'olona melaziana aza aho ny faritra misy ahy dia Afrika, noho izany dia Afrikana aho. Ny Afrikana ihany koa misy fotsy hoditra avy tany Eoropa ka ny tapany tena atsimon'i Afrika no betsaka izany indrindra.Ny Afrikana ihany koa misy taranaka Arabo ka ny ilazana azy moa dia Magrebiana amin'ny ankapobeny. Ny Afrikana ihany koa misy taranaka aziatika sy karana, satria tsy eto Madagasikara ihany no be ny karana fa betsaka ny tany Afrikana no misy azy ireny fa ny mahamaro an'isa azy ireny indrindra aloha dia ny nosy Maorisy.

Tsy hoe izay monina eto Afrika ihany no Afrikana fa izay manana fo mitempo ho an'i Afrika ihany koa. Maro ireo hafa fihaviana izay tandrefana moa no tena maro an'isa no mahatsapa tena hanangana tetikasa ho amin'ny fampandrosoana, ho amin'ny fampivelarana ny mahaolona, ho amin'ny fampianarana, ho amin'ny fampianarana sy ny sisa maro tsy voatanisa. Na mandalo fotsiny ihany aza izy ireny, na tsy honina eto Afrika aza izy ireny, nitempo ho an'i Afrika ny fony satria nahatsapa ny mahaolona manampanahy azy izy.


Fa ny tena tsara indrindra amin'ny fieritreretana an'i Afrika araka ny eritreritro dia ny fitarihana ny olona ao aminy hahay hivelatra, hahay hitempo ho an'ny taniny ka hanolokolo azy, tsy hanonofy hitsoaka an'i Afrika mandrakariva fa hieritreritra ny mahatonga ny hafa hihazakazaka ho aty Afrika ary hametraka ao an-tsainy fa hay misy zavatra azo atao koa aty. Lalana sarotra mety ho nofinofy ihany izany saingy iza moa no nanampo fa hisy metisy Afrikana hitondra izany firenena tandrefana lehibe indrindra izany? Saingy mbola vao dimampolo taona monja manko no nitolona ho amin'ny fitoviana ny mainty [tonga dia Afrikana no ao an-tsaina amin'izany saingy Amerikana ireo ka] fa toy ny tsy nananjò teo aloha. Fa na izany na tsy izany dia naharesy lahatra ahy ihany koa ny fivorian'ny [justice et paix raha tsy diso aho] tany Afrika izay hoe: ny tena fanampiana an'i Afrika dia ny tsy manampy azy [hahatonga ny fiakinan-doha amin'ny fanampiana mahazatra azy] saingy ho be ny ho tezitra raha maheno izany.

Mangataka ny hevitr'ireto mpamaham-bolongana manaraka ireto aho hanohy ny rojom-bolongana ho an'i Afrika:

Kdaombaramita satria toa manimanina ny eto an-tanàna iny havako iny ka hahalala tsara ny fahafinaretana niainany tamin'ny faritra iray amin'i Afrika na dia mety ho madagasikara ihany aza no nodiaviny.

Dotmg satria toa mety indrindra amin'ny what if... ity rojom-bolongana iray ity.

Maintikely satria tsy menatra ny milaza ny mahamainty azy izy fa toa karazana rehareha aza izany.

Lomelle satria efa mihamazoto manoratra iny zandriko iray notsongaiko ao amin'ny foko blog club iny.Dia afaka mitagy ireo namana be dia be ao amin'ny foko-madagasikara ihany koa ianao.

Maro ianareo no tiako tagena (indrindra fa ny ato amin'ny blaogy.com saingy iray ihany no notsongaiko) saingy manjary tsy misy hotagena intsony ny namana hafa ka aleo aloha ajanona amin'ireo. Marihina fa azo atao amin'ny teny frantsay na teny anglisy tsara ity rojo ity ary izay no mbola namelako ny lohateniny amin'ny teny Frantsay ho eo ihany. Raha misy moa ianareo tonga dia mazoto ny hanoratra avy hatrany na tsy voatagy aza dia arahaba soa arahaba tsara. Roa herinandro ihany ny faharetan'ny lalao ô!

Nodimandry ny mompera Remi Ralibera sj

2008-11-21 @ 19:40 in Finoana

Nolazaina tamiko izy ity fa tsy nahara-baovao aho. Voalaza ary fa nodimandry androany Zoma 21 novambra ny mompera Malagasy fantatry ny maro indrindra teto Madagasikara tamin'ny alalan'ny haino aman-jery. Noho izy mpanentana tamin'ny tamin'ny radio Madagasikara fandaharan'ny fiangonana katolika antsoina hoe "tafa sy diniky ny tanora katolika" no tena nahafantaran'ny maro azy indrindra (noho ny feony somary kentsokentsona izay) ankoatra ny maha-mpanao gazety Lakroan'i Madagasikara azy (Tonian'ny famoahana sy mpanoratra ny lahatsoratra toy ny chroniques de Rasediniarivo). Nisy koa ny fotoana  naha-filohan'ny holafitra mpanao gazety (faharoa tamin'ny taona 1977-1991) azy satria nijoro ho elanelam-panahy ny lehilahy raha nifanipaka toy ny valala an-karona (noho ny safidy politika indrindra indrindra) ny mpanao gazety.

Teraka tamin'ny taona 1926 izy (hafahafa fa tsy nanoratra ny daty feno ny boky navoakany) ary zanaka Malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay. Taranaka Merina Mainty Manisotra, ary sahy nanambara izany tamin'ny fotoana namoahany ny bokiny fa tsy niafina tao ambadiky ny hoe Betsileo noho ny henatra hoe Mainty. Teny tanàna ambony teto Antananarivo no nahalehibe azy. Ny sekoly katolika no nahalehibe azy. Nandalo tamin'ny fiainany mazava loatra ny faharesen'ny tafika Frantsay nanoloana ny tafika Anglisy (nitondra ny fanevan'ny tafika frantsay afaka) ny taona 1942 ka nanefy azy tamin'ny fitiavan-tanindrazana tsy naka an-tendrony, araka ny filaza). Niditra hanolotena hiaraka tamin'ny Naman'i Jesoa (Jesoita) izy tamin'ny taona 1945.

Nianatra tany Roma izy ny taona 1955 rehefa vitany ny fianarana norantoviny teto an-toerana, ary misahana indrindra indrindra ny fitaizana ny tanora ka nahatonga azy ho ray aman-dreny ara-panahin'ny (Ômônie) skoto katolika nandirtra ny 30 taona. Noho ny fitiavan'ny tanora azy no nisamborana ny tenany nandritra ny tolon'ny mpianatra 1972 ka nanaovana sesintany azy tany Nosy Lava. Nanana anjara toerana ihany koa izy tamin'ny nanirahan'ny filoha Ratsimandrava azy hitafa tamin'ny polisy GMP nioko tao amin'ny toby Antanimora (mifanila amin'ny fonja na ny marina kokoa dia ambonin'ny fonja) tamin'ny 1975. Ankoatra izay moa dia efa tonia jeneralin'ny FFKM ihany koa izy ny taona 2001-2005.

Izay no mba fandraisana anjara kely avy tamina protestanta (Loterana) iray ho an'ity lehilahy katolika Malagasy ity. Efa voky andro ihany ny tenany satria nateza tamin'ny fiainana izy (82 taona).

Tsy maintsy hofitahiko ny foko

2008-11-21 @ 08:32 in Kolontsaina

Tsy maintsy hofitahiko ny foko
hanalavirako toloko... izay misoko
Fa sao raha tsy misy intsony izay ho antsoiko
Dia tsy hety hilamina ny saiko
Dia ho lany mondro-kery
na dia tratry ny an-tery aza.

Tsy maintsy hofitahiko ny foko
sao very foana...toa foana ny anoloana
sahala ny tokamanirery mandalo efi-babangoana
misy ihany fa tsy ilaiko
fa raha tsiahy no hanentohento
lasa tsy nahy anie ny sento e!

Dia ny saiko no hibaiko ny foko ampiesonina
hanadio 'ty ratrako miserana;
ny maraina andrandraina tsy afaka holevonina,
hoy ny fanantenam-piheverana
Amin'izay ny tenako ihany no hamitaka ahy
dia hioitra amin'ny fahalavoana raha mbola lehilahy.

 

jentilisa - 07 aogositra 1993 -

Resaka dihy: Viva VIVA

2008-11-20 @ 07:42 in Kolontsaina

Tena niniana natao ny teny verindroa amin'ny lohateny fa tsy hoe misy fahadisoana tsy akory. Ankehitriny moa malaza ihany ny fangalaran-tahaka eo amin'ny samy haino amanjery. Mampihomehy moa fa dia misy sarimihetsika iray sady mandeha ao amin'ny toby fandefasan-tsary iray no mandeha ao amin'ny iray hafa ihany koa, ny fatratra dia saiky ampitoviana mihitsy ny ora hanombohany. Ny mahasamihafa azy fotsiny avy eo dia ny halavan'ny dokambarotra azon'ny tsirairay. Midika izany fa mifampitsikilo ry zareo ary tsy atao mahagaga raha samy tsy misy mametraka ny lohatenin-tsarimihetsikany ny tsirairay sao manko ny an'ny hafa no lasa mialoha.

Amin'izao fotoana izao indray dia eo amin'ny fandaharana mampanao fifaninanana mandihy indray no ifandroritan'ny toby mpandefa sary roa dia ny VIVA sy ny rta izany. Saiky diso ny fijeriko tamin'ny voalohany satria nihevitra aho fa ny tv record malaza manokana amin'ny hira sy ny dihy trôpikaly no tadiavin'ny rta tsindriana. Rehefa miteny hoe trôpikaly moa dia raiso hoe ny fampandihizana fitombenana (mandratra ny fiteniko azy saingy izay tsinona ilay izy) no tena itsarana ilay dihy. Gaga ihany aho hoe fa inona koa no nahataitra ny rta mikendry karazana dihy tokana hanambazana volabe ny mpandresy ity (hay ve i jentilisa ity mbola mijery rta e? eny, amin'ny kidaona maraina tsindraindray iny fa aza anontaniana pazzapa aho satria noho ilay tele jeren'ny ao ampiasana nefa eo anoloan'ny birao iasako eo no apetraka ilay vatam-pampitantsary no ahitako azy tsy fidiny).

Voalohany, na ahoana na ahoana tsy maintsy ho maro no hijery ilay fandaharana satria manintona ny kely sy ny lehibe hatrany io resaka maoja sy ny mifanakaiky aminy io. Tsy atao mahagaga intsony raha voalohan'ny pejy tamin'ny midi flash ohatra dia efa Union na couples latsaka fahefany ny sary hita eo. Horaka madinika moa ny an'ny mpianatra nahita ilay filahiana sy ny bonga miaraka aminy miharihary amin'ny gazety natokana ho an'ny rehetra ity, sarim-piraisam-batana ahitana ny vatana manontolo sisa andrasana ho hita amin'ny takelaka voalohany dia resintsika daholo ny firenena tandrefana milaza azy ho tena manana ny fahalalahana ireo satria gazety ho an'ny mpianakavy io. Tena miaiky aho tamin'iny taranja iny fa tena manana fisainan'antitra tsy liam-pandrosoana raha izay no atao hoe fandrosoana ampitaina amin'ny tanorantsika.

Io indray i jentilisa fa mivadi-dresaka, avereno amin'ny resaka dihy fa tsy eo no mampihevi-tena ho soara eo. Kanjo hitako ihany fa hay mampanao fifaninanana dihy amin'ny karazan-dihy maro ny ao amin'ny televiziona VIVA. Hita ao avokoa ny dihy malagasy (tafiditra ao ny dihy amin'ny hiragasy) sy vahiny maro, ny endrika dihy taloha sy ny ankehitriny, fanao eny andalambe na eny an-tsehatra na anaty efitrano mihaja ihany koa, samy manana ny tandrifiny avokoa. Vao eo amin'ny fifanintsanana avokoa moa ireo mpifaninana amin'izao fotoana izao na ho an'ny andaniny na ho an'ny ankilany. Ho an'izay tia dihy na tia ny mijery dihy aloha dia hahazo fahafaham-po tokoa amin'ny fandaharan'ny VIVA STAR io. Samy mba manana ny karazan-dihy mahafinaritra azy eo e! Misy ny dihy ho an'olo-tokana na olon-droa na andiany ihany koa ary azo heverina ho mifanahantsahana ratsy eo ihany ny isan'ny lahy sy ny vavy.

Fa ny an'ny rta raha dinihiko resaka famotehana ny hatsaran'ny fandaharan'ny toby miezaka ny hahazo mpijery ity no tanjona tokana ataony satria mandritra ny firy minitra moa izany no hijery fihodikodina tandrimo fotsiny ianao fa ilay izy mety hoe tandrimo mitsangana na mihohoka na mitsilany ary mihinginingina ihany no hitanao. Nahatsipalotra ilay izy aho fa tena ratsy dia ratsy ny saiko (tsapako mihitsy teo fa ratsy saina ihany aho). Toa varotra sipa ankolaka no fijeriko azy, hisy azy ny vazaha lahy mahita ity fandarahana ity afaka mifantina izay mahay mihetsika hita amin'ny tele, hoy ny haratsian-dohako sady iza indray no tsy efa nandre fa amin'ny fomba ofisialy aloha dia vehivavy malagasy 4000 no nahasahy nanambara ampahibemaso ny faniriany halain'ny vazaha ho vady. Mety tsy ho very anjara ihany koa anefa na izany aza ny lehilahy malagasy mijery azy. Saiky vehivavy ihany manko no mandray anjara amin'ny fandihizana, tsy tadidiko na tsy tsipalotro moa hoe natokana ho an'ny vehivavy ve ity dihy trôpikaly ity fa karazan'ny manjaka tokana aloha ry zareo manangy ao amin'ny rta.

Mahita ny fifaninanan'ny roa tonta moa aho eo amin'ity resaka dihy ity dia miharihary ny safidiko fa io lazain'ny lohateny io. Manana fandaharana tokony hahafinaritra ny VIVA raha tahaka itony. Efa nisy koa moa ny fotoana nifanindry teo amin'ny VIVA sy ny TVM tamin'ny fifaninanana kabary volana vitsivitsy lasa izay ka tsy azoko intsony izay naka tahaka tamin'ny roa tonta na ny fikambanan'ny mpikabary mihitsy no nanatona toby maro ka izy roa no samy nanaiky. Ny fehiny dia hoe: Tsara ny dianareo ry VIVA eto ka tohizo.

Taratasin-dainga ho anao

2008-11-19 @ 08:44 in Toekarena

Elaela zareo izay tsy nanoratako taminareo izay. Tsy salamalama noho ny havizanana manko ny havanareo na vizana ka maneho endrika tsy salamalama, tsy fantatro intsony izay tokony hanoratako azy e! fa dia naninona indray ary no natomboka tamin'ny taratasin-dainga indray ity raharaha ity?

Voalohany ankoatra ilay tsy fahasalamana teo ary dia lany ny fahana moov tamin'ny endriny teo aloha. Manana sanda vaovao indray manko ny fahana moov amin'izao fotoana izao. Fahana moov vaovao izay lany hery indray amin'ny 31 oktobra 2009 ho avy izao tahaka ilay fahana moov teo aloha izay lany hery tamin'ny 31 oktobra 2008 lasa teo. Inona ay ny fiovana misy?

Hita avy hatrany aloha ny faharetan'ny fahana tsirairay avy, voasoratra tamin'ny fahana taloha ohatra fa raha 2 ora sy fahefany no faharetan'ny fahana 5000 ariary dia amin'ny ora vitsy mpampiasa ihany izy sisa rehefa taty aoriandriana fa tsy fantatro mihitsy kosa ny faharetany amin'ny ora mahabe mpampiasa ny serasera. Ankehitriny roa ora sisa no zakany ho an'ny fixe sy ny adsl fa ora iray ihany ho an'ny moov 3G+ ka tsy misy fiovany izy amin'ity sokajy voatonona farany ity.

Dia toy izany ihany koa, lasa 4 ora sisa no zakan'ny 10 000ar nahazo 5 ora teo aloha ary 8 ora sisa no zakan'ny 20 000ar teo aloha izay nahazaka 11 ora teo aloha. Marihiko etoana fa mpampiasa ny aterineto amin'ny fotoana mahavitsy mpampiasa azy aho ka tena niainako tokoa ilay 11 ora nahafapo ahy mandritra ny iray volana teo aloha. Noho izany hatreto izany raha tohizako toy ny taloha ny fanaoko dia lasa mahalany latsaky ny 30 000ar isambolana izany ilay 20 000ar fandaniko teo aloha. Misondrotra 10 000ar latsaka izany ny fandaniako tao anatin'ny ora mitovy izany hoe misondrotra be amiko izany ny vidin-tserasera ataoko. Lasa ny saiko, arakaraky ny itabatabana fa ho avy ity hazondamosin-tserasera hanamora ny fifandraisana ity (backbone) no miakatra ny vidiny e! sa izaho no tsy nahazo resaka tsara? tsy tokony hihamora kokoa aza ve? tratran'ny lainga aho izany na izaho ihany no nampandainga ny tenako. Iray izay.

Manaraka izany, pack telma moa no ampiasaiko nefa ao amin'ny lafiny teknika dia nampidirina tao anatin'ny sokajin'ny moov3G+ io pack telma io. Lafiny teknika ihany ve izay sa lasa manaraka ny fepetran'ny 3G+ amin'ny vidiny ihany koa ny pack telma (izany hoe 4 ora no zakan'ny 20 000ar novidiako)? enga anie mba ho ahiahy tsy mitombina ny ahy fa raha tsy izany dia nisondrotra avo roa heny izany ity tantara ity.

Resaka hafa indray, tsy nisy antso avy amin'ny mpihaino ny fandaharana kidaona maraina androany (19 novambra) noho ny lafiny teknika hoy ny mpanentana. Aiza kosa? sao dia miahiahy hafanan'ny toe-draharaha noho ny fanalana amin'ny asany ireo mpiasan'ny antenimiera kosa ianareo dia mody hoe... satria mankaleo anareo ny antsoin'ny fampanoavana mpanao fanadihadiana lava. Tsy maintsy misy manko ny mpampirisika sy ny mpampiady angely amin'ny antso sahala amin'ireny. Tsy aleo ve ampidinim-peo tahaka ny fanao teo aloha izay mitady hafanafana fo ankoatra ny efa hakana ny anaran'ny mpiantso sy ny laharam-piantsoany?

Faramparanana ny androany fa sao lava loatra, mbola miziriziry tsy midina hatrany ny vidin-tsolika eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Ny filazan'ny mpaninjara moa dia hoe tsy mbola lany ny tahirin-tsolika tamin'ny vidiny mbola lafo be ireny. Mampieritreritra sahala ny hoe natao hanangonany betsaka araka izay azo natao tamin'ireny nahalafo be azy ireny. Fantany manko fa tsy hihetsika ny Malagasy dia manararaotra ry zareo ary raha avy ny fahatezerana ka mamotika sanatria ny olona dia hirangaranga ao anatin'izany fa tsy ho azo anaovana fandraharahana velively eto Madagasiakara. Ny vahiny tokoa no mifehy ny toe-karena eto Madagasikara ka sintonina aloha ny tombondahin'ny tombombarotra (tombombarotra ankoatra ny tombombarotra novinavinaina). Izao koa no vokany rehefa tsy mandray ny tokony ho andraikiny ny fanjakana ary tsy nampianarina handray ny andraikitra tokony hoataony ny olom-pirenena. Ny fihetsiketsehana anie tsy voatery ho fanozongozonam-panjakana na fanonganam-panjakana e! saingy izanyhatrany moa nomasaka na ho an'ny maro amin'ny vahoaka na ho an'ny mpitondra mifandimby dia tailantailana hafahafa izany ilay toe-draharaha.

Antsirabe sy ny hakantony: Manodidina ny gara

2008-11-13 @ 12:52 in Andavanandro

Izao ary dia mba hampiseho sary vitsivitsy tamin'ny nandalovako tany Antsirabe tamin'ny volana aogositra 2008 aho.

Manangasanga mampiavaka ny tanàna hatry ny ela ny tsangambaton'ny fahaleovantena.

Ny eo ampitan'ny tsangambato ihany koa manana ny fiavahany! ery ambadika ery ny gara

Ny eo anoloan'ny fidirana mankao amin'ny Hotel de Thermes no mba misy jet d'eau kely ho an'Antsirabe.

Trano manana ny lazany sy ny tantara izany trano izany!

Tranon'ny paositra anisan'ny kanto ihany koa. Fantatra avy hatrany hoe Paositra ao Antsirabe raha vao mahita azy ity.

Tranon'ny Paositra niorina nandritra ny fanjanahantany!

Ampitan'ny tsangambaton'ny fahaleovantena sy ny paositra ity ho an'izay tsy tany Antsirabe nandritra ny fotoana maharitra.

Hatreo aloha fa amin'ny manaraka indray e!

 

[sary] Famaranana faha40 taona FJKM (4)

2008-11-11 @ 12:56 in Finoana

Mbola maromaro ihany ny sary mbola tsy tafiditra ka avelako indray ianareo hianoka azy. Toy ny mandehandeha ampiangonana indray ny mpaka sary amin'ny fitetezana ireo faritra samihafa ao anatin'ny kianjaben'i Mahamasina ihany.

HIditra ny kianja ho an'ny manampahefana. Voaravaka saina fotsy sy manga na dia ety ivelan'ny kianja aza.

Indreto indray ny fiaran'ny manampahefana tsy tafiditra ao an-kianja! mazava loatra fa tsy hahita fiara ratsy izany ianao.

Miditra ny tribunes ary isika

Samy feno mpitandrina avokoa ny andaniny sy ny ankilany amin'ny tribunes centrales.

Izao no sary manamarika ny alitara ao amin'ny FJKM Ambohipo

Tonga maro ny skoto tamin'ity fotoana ity.

Tsy tian'ny olona amin'ny ankapobeny ny tena afovoany. Mety hoe takona koa ve sa sempotra?

Dia izay indray ary aloha ny sary nomeko anareo.

Lapan'ny tanàna Antananarivo: Efa mitsangana ny Grue

2008-11-10 @ 16:58 in Politika

Lahatsoratra fahaefatra sahady androany fa tsy resaka finoana kosa fa momba ny fananganana ny Lapan'ny tanàna eto Antananarivo. Manomboka ny fanadiovana ny toerana ary efa mitsangana ny grue naorin'ny Vima Construction. Entiko izao ilazana fa manara-maso akaiky io fananganana io mihitsy aho. Hisy fanohizana anie ny asa ary mirary azy ho vita ara-potoana.

 

[sary] Famaranana 40 taona FJKM (3)

2008-11-10 @ 04:33 in Finoana

indreo kay moa misy tovovavy mpandray ny manampahefana

izany dia ny tavany ihany no nojerena

 
Teo amin'ny resaka hira indray moa dia nisy mpitendry zavamaneno sy mpitsoka mozika mihitsy nanafana ny lanonana. Tsy aritry ny tena fa dia voapika tany amin'izy ireo ihany koa ny fakantsary. Tanora mahafatifaty ihany koa anie izy ireo ary inoana marimarina fa zanaky ny fiangonana ihany. Nahazo azy ireo akaiky ihany koa moa aho ka tena heno tsara ny hakanton'ny feo nivoaka.
tena tanora anie izy izany e!
 
 
Fa ny tena nahavariana dia nalaza vetivety teo ilay hiram-pifohazana mitondra ny lohateny hoe "Iny lalana iny". Mazava loatra fa tsy maintsy mba misy ihany koa ny gaga fa izay vao naheno azy nefa dia manintona dia manintona ny fomba nihiran'ny "Saotra sy dera" azy any amin'ny kapila mangirana. Rehefa ny sarambambe moa ny mihira azy tsy maintsy mba voafehifehy araka ny fomba tandrefana eo ihany ilay izy nefa izy maredona no tena mampihetsi-po no mandre azy, izay manko no tena avy ao ampo. Efa niomanana tanaty fandaharam-potoana angamba satria nisy satroka misy io soratra "Iny Lalana Iny" io namidy teny ivelan'ny kianja indrindra indrindra ary maromaro ihany an!
Toa vitsy ihany izany nahazo micro izany
 
 
Marihina ihany koa fa nisy asa sy fampaherezana notontosain'ny mpiandry FJKM nandritra ity fotoana ity. Fanao iray fanaon'ny Fiangonana Protestanta Malagasy (Reforme sy Loterana no dikan'izany) izy ity eny fa na Misionera Tandrefana tsy dia nankasitraka loatra ity fomba ity aza no niavian'ny fiangonana tamin'ny ankapobeny. Tsy dia ela ihany koa no vao naneken'ny FJKM ny Fifohazana ho sampana ao aminy, ary mbola misy na dia efa mihavitsy an'isa aza no mbola tsy mahazoazo loatra hatramin'izao ny Fifohazana. Misimisy kosa ny mpitandrina sy pastora tsy manaiky ny hiram-pifohazana atao anaty litorjia mandritra ny alahady maraina. Mihevitra aho, fiheverako manokana, fa mbola tarazo navelan'ny fisainana fa ny fomba tandrefana amin'ny fombam-pivavahana ihany no tena fomba fivavahana izany ary singa iray manakana ny fampielezana ny Filazantsara ho toy ny zava-bahiny mandrakariva izany fieritreritra izany ary manakana ny fanehoana ny mahamalagasy sy ny mahakristiana afaka mifanindran-dalana sy tsy mifanohitra.

[sary] Famaranana 40 taona FJKM (2)

2008-11-10 @ 03:49 in Finoana

Ny filohan'ny FJKM Atoa Lala Rasendrahasina ihany moa no nitoriteny tamin'ity fotoana ity rehefa avy novakiana avy ireto andinin-tSoratra Masina somary henjakenjana ireto:

I  Samoela 15: 16 - 26
          Marka 7: 14 - 30
      Romana 1: 28 - 32

Ny tena nanompanany ny toriteny nataony dia izay voasoratra ao amin'ny Samoela voalohany toko faha-15 ka ny tapany faharoa amin'ny andininy 22 manao hoe:

"Ny manaraka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran'ondrilahy."

Milaza ny iraka nampanaovina ny mpanjakan'isiraely voalohany (Saoly) izay nirahina handringana ny Amalekita, tsy haka na inona na inona avy aminy. Kanjo nalain'ny vahoaka Isiraely kosa ny zavatra tsara tamin'ireto fahavalony ireto. Nalainy izay biby fiompy matavitavy sy izay zava-tsarobidy tamin'ireo fahavalony ireo ka avy amin'izany no nakany hanaovana fanatitra ho an'i Jehovah. Tsy nankasitrahan'Andriamanitra, araka ny nambaran'ny mpaminany Samoela anefa izany fihetsika nataon'Isiraely sy ny mpanjakany izany ka nahatonga ny teny manao hoe ny Mankatò, ny Mihaino ny tenin'Andriamanitra ary ny manaraka izany hatramin'ny farany (manatontosa) no sitrany. Fa na matavy aza ireny biby fiompy ireny dia nalaina avy amin'ny tsy fankatoavana ny didin'Andriamanitra. Ny fahavelomana sy ny fahamarinana dia miankina amin'ny fankatoavana.

Ny fanatanterahina ny tenin'Andriamanitra dia manaiky ihany koa izay teny mety hanohintohina ny hambom-po sy ny sitrapon'ny tena. Tsy mety mihitsy ny maka izay mahafinaritra sy metimety ary mifanaraka amin'ny tadiavin'ny tena ho izay tokoa ny sitrapony ka tsy manatanteraka kosa ny izay manelingelina sy mahasosotra (fa tsy mifanaraka amin'ny tombotsoan'ny tena). Mandefitra isika ary tsy maintsy mandefitra manoloana ny sitrapon'Andriamanitra. Avy amin'ny zavatra mifanahatahaka amin'izany ihany koa no nipoiran'ny fanitsiam-pivavahana nataon'i Luther sy Calvin ary ireo namany maro samihafa noho ny fomba maro samihafa natao tao ampiangonana tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra intsony. Izay amin'ny ambangovangony ny toriteny voaraiko tamin'ity andro ity araka ny nahazoako azy.

Mariho amin'ity andini-tSoratra Masina ity ny teny masiaka avy amin'ny Samoela mpaminany ho an'ny Saoly mpanjakan'Isiraely voalohany manao hoe "ary Jehovah kosa efa nandà anao tsy ho mpanjakan'isiraely intsony. Mety hisy indray manko no mieritreritra any ampony any hoe ary ho an'ny filoham-pirenena izany teny izany (satria mpanankarena be mihitsy ny lehilahy ary matetika ny fiheveran'ny Malagasy ny harena miavosa tahaka ireny dia tahaka ny azo tamin'ny tsy rariny sy ny fanambakana mandrakariva) nefa aleo kosa manamarika fa tsy ho an'ny mpanankerena sy ny mpitondra ihany ny tenin'Andriamanitra fa ho an'ny olona rehetra. Ny fanilikilihana ny tsiny ho an'ny hafa mandrakartiva manko no entina hanafenana ny tsy rariny ataon'ny tena ihany koa.

[sary] Famaranana 40 taona FJKM (1)

2008-11-10 @ 02:38 in Finoana


Notontosaina ny alahady 9 novambra 2008 ny famaranana ny fankalazana ny faha40 taona ny nijoroan'ny FJKM. Teny amin'ny kianjaben'i Mahamasina no nanatanterahana izany fotoam-pamaranana izany. Vao maraina dia niainga avy amin'ny faritra samihafa ny fiangonana sy ny sampana samihafa. Tsy nahatratra io filaharambe io moa aho satria io ihany no alahady mba natoriako maraina. Reraky ny asa andavanandro ihany manko ny tena. Na izany aza dia tsy nanaiky kosa raha tsy nanatrika ny fotoana.

Tamin'ity fotoana ity no niarahabana ireo mpikambana rehetra ao amin'ny birao foibe, sy ireo mpikambana samihafa ao amin'ny fandinihan-draharaha, mpanapa-kevitra ambony eo anivon'ny fiangonana sy ireo mpitandrina nahavita be teo anivon'ny FJKM nandritra izay efapolo taona nijoroany izay. Tsy atao mahagaga loatra noho izany raha noraisin-tanana tamin'ny fomba ofisialy ny Minisitry ny tetibola teo aloha Radavidson Andriamparany, mpanolo-tsaina eo anivon'ny birao foibe. Tsy nanatrika kosa ny filoha lefitry ny FJKM sady filohan'ny Repoblika Marc Ravalomanana. Soa ihany hoy aho amin'izay mba mitovitovy ny nanaovana ny FJKM sy ny EKAR. Rehefa namonjy ny toerana nipetrahan'izy ireo ny mpikambana tao amin'ny foibe dia nitsiky ihany aho nahita fa mifanakaiky dia mifanakaiky amin'ny fipetrahan'ny minisitra maro nanatrika ity fotoana ity ny toeran'ny Mpanolotsaina maharitra Radavidson Andriamparany. Moa va tsy toa ireny hoe mbola mitana ny andraikitra mahaMinisitra azy ny lehilahy? Mba iza koa ary no nandamina ny fipetrahan'izy rehetra ireo?

Nifidy anao aho

2008-11-08 @ 21:09 in Kolontsaina

Te-hamindra aina aho
  Fa ny afo nandevona likiliky no natolony
Te-hifanapaka amin'ny ivokisako aho
  fa sakafo mafilotra tanaty hanoanana no nomeny
Te-hanoro ny fatsakana nahafa-po ahy aho
  fa namelombelona indrindra izany tanaty hetaheta
Te-hitantara ny fialan-tsasatro aho
  Fa nanadinoana havizanana ny niarahako taminy
Te-hizara ny fahasambarana itohofako aho
  Fa izany no lala-tokana haharetan'ny fiadanam-poko
Dia nifidy anao aho
     Nifidy anao...


Tsy haiko ny hanakombona ny teny fitiavana
  notoriana ho ahy
Tsy efako ny nampiery ny haravoako
  anatrehan'izay rehetra nanoloana ahy
Tsy vatrako ny nampangina ny
  hiram-pifaliana nitosaka sy
    niara-nikoriana tamin'ny rako
Tsy voafehiko ny tsynamindra ny dihim-pihobiana
  nampientanentana ny fo amam-panahiko
Tsy tratrako ny nanafina ny fahafinaretako
  ho ahy samirery
Dia nifidy anao aho hitomboan'ny fahasambarako
     Nifidy anao...

... ... ... ...

Misaotra anao aho ry Kristy jesoa
fa nahazara taminy ny zom-pirenen'ny lanitra


jentilisa 04 septambra 1996

 

Sahala ny mba hoe...

2008-11-07 @ 22:53 in Politika

Tsy hiala loatra amin'ny fombany ny Maharesaka VETO na dia masiaka loatra aza indraindray ny soratra. Nanambara ohatra i Lomelle ao amin'ny lahatsorany ao fa dia efa tsy rariny loatra ny eo anoloan'ny Lapan'ny tanàna aorina io (mbola tsy ao aloha ny fitaovana sy ny akora fananganana fa ny fefy manakona ny toerana no efa avo dia avo tsy hahatazanana izay ao anatiny intsony. Mampahatsiahy ny namefena ny farihin'i Behoririka tamin'ny herintaona iny.)Miala tsiny fanindroany izay mbola eo ampisakafoanana na hikarakara izany fa hipoka diky tanteraka teo...indrindra fa ny tao ambany sehatra. Nandalo teo izahay ny sabotsy teo fa vao manatokantona teny dia efa re sahady ny fofona. Avy eo hita avokoa ny entiny maro dia maro (poah). Tsy te-hanoratra azy io intsony aho fandrao lazaina fa tena efa tsy fitiavana ny ahy nefa aleoko manamarina izay nolazain'i Lomelle indray mba ho vavolombelona roa izahay. Nisy nahasahy niteny ahy manko tamin'ny fampielezankevitra volana desambra teo fa raha...efa lany moa izy ankehitriny... no mitondra ny tanàna dia tsy vitan'ny hoe maloto ny tanàna fa tena ho diky mihitsy no hahalalàna an'Antananarivo, nieritreritra aho tamin'izany fotoana izany fa efa fankahalana mihitsy kosa ny azy... saingy fe ankehitriny tadidiko tsara izay nolazainy.

Hikofokofoka indray ny CUA fa manomboka ny alatsinainy izao dia miala tsy misy alaharo avokoa ny fiara amidy sy ny fiara anaovana bizina toy ny fanakalozana devizy, fivarotana finday. Afaka manamarina ianareo fa tamin'ny fiandohan'ity taona ity dia nabaribariko mazava tsara ny fiaingan'ny famotehana ireo fefy nanakanana ny fiara amidy sy nanaovana bizina rehetra teny. Noho ny nanakarana ny sisindalana sy nametrahana vato mahasakana fiara dia tsy nisy fiara amidy nipetrapetraka teny. Vao lany ny mpitantana ankehitriny dia natomboka ny "gafy"nanimbana ireny fefy ireny aryavy eo moa dia nesorina faobe mihitsy izy ireny. Nanomboka hatreo dia lasa tsena fivarotana fiara sy fanaovana bizina iny araben'ny fahaleovantena manontolo iny. Ankehitriny polisy kaominaly maro dia maro no hisahana ny fandraofana raha mbola misy ny kiribiby. Mampahatsiahy aho eto fa efa nisy ny vahaolana nataon'ny mpitondra teo aloha izay tsy lany moa saingy notsinotsinoavina ireny vahaolana ireny. Ankehitriny toa hitany indray fa mety ny eritreritry ny mpitantana ny tanànan'Antananarivo teo aloha. Mampirisika azy ireo ahy hoe avereno ny nataon'ny teo aloha namefy mihitsy fa aza atao mahamenatra izany rehefa hita fa iny ny vahaolana tsara indrindra raha toa ka manao izao "fanadiovana" izao tokoa ianareo. Tsarovy fa efa nisy koa ny paika nataon'ny mpitantana teo aloha naka mpanentana mihitsy, olona fanta-daza izy ireny, nokaramaina volabe hampianatra ny olona hikojakoja ny zavabita rehetra na ny zavamaitso na ny fanorenana fa tsy nijanona teo amin'ny lalàna sy ny sazy intsony tamin'izany fotoana izany. Nahomby mihitsy ireny fanentanana ireny hany ka nisy lanjany mihitsy ny fahadiovana sy ny filaminana teto an-drenivohitra. Marihina aloha ho anareo ambolana tsy teto Antananarivo fa efa lasa tsena tsy ara-dalàna be olona mihitsy ankehitriny io manoloana ny radio Anosy ambanin'ny hazo mitandahatra manontolo iny (manomboka eo amin'ny fiantsonan'ny fiara fitaterana ka hatreny amin'ny vavahadin'ny radio. Aza gaga intsony rehefa mandalo eny fa hitako Zoma 7 novambra io.

Manaraka izany indray dia nahafinaritra ahy ny fomba nataona mpiantso iray nitsikera... an'iza hoy ianareo? Mazava be fa ny MAGRO ary rehefa miresaka MAGRO dia ny tompony no ao an-tsaina voalohany. Toy izao ny nitsikerany azy (ary misy amboariko mihitsy mba hahatakaranareo tsara ilay fomba nanaovany azy): Mampalahelo mihitsy ny ataon'ny Savonnerie Tropicale fa dia tsy mba ahitana ny savoniny mihitsy ao amin'ny MAGRO nefa anie Malagasy Grossiste no anaran'io e! Raha mijery ao tokoa ianao dia variana fa toa tsy mba raharahan'ny mpandraharaha Malagasy loatra ny mba hifampiraharaha amin'ny MAGRO hametraka entana ao... dia ho variana ianao fa ankoatra ny vokatra TIKO dia ny entana Shinoa no tena maro ao ary saiky avy any ivelany avokoa ny entana amidy ao. Efa nolazaiko teo ny Savonnerie Tropicale tsy mba mametraka ny savoniny ao hany ka ny Citron plus (vokatra maorisiana malaza ho tsy mandoa haba miditra eto Madagasikara) no tena hitanao ao.

Tahatahaka izay no nanaovany ny tsikera, raha ny fahatsapako dia tsy nitsikera ary tsy te-hitsikera ny Savonnerie Tropicale mihitsy ilay mpiantso. Dia hoy aho nihomehy irery, tena mety mihitsy izany fomba fitsikera izany ka rehefa tena voatsembatsembana ny fitenenana dia efa nanoro lalana anareo mianakavy aho izay... Mbola tsy nanao ity fomba ity moa aho?

[no edit] Nandresy i Barack Hussein Obama : Ny anao kosa manao ahoana?

2008-11-04 @ 21:16 in Politika

Voasariky ny saina mamirapiratry ny kintana eny an-danitra sy ny tsipika mitsoriadriaka fotsy sy mena avokoa ny mason'izao tontolo izao. Variana ihany ny maso mahita ny fanjelanjelatry ny saina Amerikana mandravaka ny sehatry ny fahitalavitra eto Madagasikara (ohatra: viva tv nanao fandaharana manokana). Sahala amin'ireny hifidy ireny ihany koa i Madagasikara, hany ka tsy mahagaga raha misy ilay sangisangy nataon'ny mpanao sariitatra maneho tambanivohitra iray mankany amin'ny biraom-pokontany manontany raha ao anaty lisi-pifidianana ny anarany satria tsy maintsy hifidy izy fa hanao raha izany Obama izany. Hoy koa aho hoe: reharehan'ny Amerikana ery ny sainany fa ny sainam-pirenenao mpamaky io moa mba ankafizinao va? Sa tahaka ny ahoana no atao mba hitiavanao azy?

Dia hoy aho any an'eritreritro any hoe raha mifidy tokoa izao tontolo izao, ka na tsinjaraina isaky ny kaontinanta aza ny famoaham-bokatra dia amin'ny alalan'ny vokatra mampiavaka ny tany an-dalam-pandrosoana mahantra sy heverina fa tsy mahalala ny demaokrasia loatra no ahalany an'i Obama na valim-pifidianana anjakazakan'ny mpitondra heverina ho jadona na tsy manaiky ny isian'ny mpanohitra ao aminy. Eny fa na Eoropa Andrefana aza mety ahazoany 80%. Voka-pifidianana mahamenatra ny tandrefana izany tsy fisian'ny fifandanjan-kery izany, karazan-kenatra anie ny nahalany ny filoha Chirac tamin'izy nifaninana tamin'ny Le Pen iny fa angaha izany raharahian'ny Afrikana? Nahavalalanina mihitsy ny nanaraka ny mivantana tamin'iny fotoana iny fa tahaka ny Frantsay nanana razambe ankoatra ny Frantsay teratany no nandresy tamin'iny fotoana iny. Tsy mahagaga raha ny fotoana manaraka ny noheverina ho Le Pen-bis no lany ho filohan'ny Repoblika taorian'izay, fahoriantsaina anie izany no nahazo iretsy nihorakoraka dimy taona taloha.

Ny Amerikana Amerikana foana na iza mitondra eo na iza! Mirehareha amin'ny mahaizy azy izy. Manandratra ny kolontsainy izy, miaro ny tombotsoany amin'ny fomba rehetra izy fa ny anao kosa manao ahoana? Toa manao fitan-droa... sadasada ihany fa sady te-ho mpitarika na olona mpitantana ambony eto Madagasikara no mizaka ny zom-pirenena heverina fa miaro ny tombotsoany manokana. Mampanahy tokoa angaha ny fampiasam-bola eto an-toerana ka aleo tehirizina any Eoropa ihany ny vola. Nefa hoy ny Soratra Masina ho an'ny Kristiana izay hoe any amin'izay misy ny harenao no itoeran'ny fonao. Any foana tokoa ny eritreritra sy ny fitiavanao ary raha azo atao aza dia any no ilevenanao, saingy lafo dia lafo moa ny hofantany any (na dia ho an'ny maty aza) ka rehefa tsy zaka aleo ampodiana eto ihany.

Izaho moa izany tsy afaka hanonofy inona loatra amin'izany fifidianana Amerikana izany. Hanana fijery hafa kokoa amin'i Etazonia angaha ny mason'izao tontolo izao rehefa lany amin'ny fomba ofisialy i Obama (ankamantatra: Firy ny isan'ny mpifaninana amin'i Obama? diso ny valinteninao raha i John McCain irery no eritreretinao). Ny fijery no miova nefa izany fijery izany dia mety hanova zavatra be dia be ao an-tsaina ihany koa. Ny nofinofiko fotsiny dia hoe: Oviana ny Malagasy no hieritreritra fa amin'izany fifidianana izany tsy ianao mpifidy no izarana vola na tee-shirt fa ianao no manao latsak'emboka na manao fitia tsy mba hetra anohananao izay olona fidianao? Tsy ny olona mirotsaka hofidiana sy ny antokony ihany no mitady sy mandany ny vola hanaovana ny fampielezankevitra fa ireo rehetra resy lahatra sy mihevitra fa hahazo tombotsoa amin'ny fanohanana iny olona mirotsaka hofidiana iny.

Fa raha izany fomba izany manko no tafiditra eto Madagasikara mahazo mangovitra izay rehetra miseho azy ho manambola hanao fafikatrana ny hareny mandritra ny fampielezan-kevitra nefa manantena fa hahatafaverina azy vetivety rehefa tonga eo amin'ny toeram-boninahitra. Amin'izay fotoana izay ihany koa tsy hisangisangy tamin'ny vola laniny nandritra ny fifidianana ny mpifidy fa hanaramaso tsara ny fandehan'ny toe-draharaha rehetra. Mieritreritra aho etsy andanin'izay fa io fomba sy nofinofy lazaiko io ihany no ahafahan'ny tsy manam-bola nefa mana-namana sy tena mpanohana manilika amin'ny fomba ara-dalàna ny mpitondra efa manana ny harenany goavana dia goavana. Amin'izay fotoana izay ho henjana dia henjana ny fanaraha-maso ny fitantanana ary izay vao ho tena hahatsapa ho tompon'andraikitra ny rehetra fa tsy ho mpitazana sy mpizaka ny tsy eran'ny aina fotsiny. Mandra-pahoviana anefa vao hisy izany? Nofy tena nofy tokoa fa ny samy mpanana ihany no hifaninana ary dia aleo ajanona hatreo indray ny redirediko mandra-pahavitan'ity fifidianana malaza androany ity.

Aza terena hiankina amin'ny Fanjakana ny Fiangonana

2008-11-03 @ 15:23 in Finoana

Andro vitsivitsy izay toa resaka finoana sy ny mifandraika aminy hatrany no voasoratro. Nahavariana ahy indray manko ny lohateny lehibe navoakan'ny vaovaontsika gazetin'ny fianakavian'ny filoham-pirenena androany alatsinainy manao hoe tsy azo sarahina ny fiangonana sy ny fanjakana iny. Sarotra manko ny hieritreritra fa ny ao an-dohan'ny filoham-pirenena raha niteny iny izy dia hoe miankina amin'ny fiangonana ny fanjakana. Ny fiangonana no fitaovana nampiasainy nahomby indrindra niakarana tamin'ny fitondrana ary ny fiangonana rehetra tao amin'ny FFKM no tena nampiasainy tamin'ny alalan'ny fanaovana fanampiana isankarazany. Nahazo fahatra tany amin'ny faritra maro izy noho ny fiangonana tao amin'ny FFKM izay misy hatrany amin'ny toerana tsy takatry ny fiara aza. Ny FFKM manko sisa no fahatra nanaovana ny tsindry lentam-pahefana tamin'ny fitondrana Ratsiraka II. Tsy nahagaga loatra raha mora nirona tamin'ity lehilahy nahay nampiasa ny fiangonana ity ny maro an'isa teto Madagasikara.

Tamin'ity fe-potoana faharoa nitondrany ity dia toa tsy nahalala afa-tsy ny FJKM amin'izay ny lehilahy (ny mpitondra faratampony). Vao tsy praiminisitra intsony Atoa Jacques Sylla, katolika sady tanindrana, dia nahita zavatra hafa dia hafa mihitsy ny vahoaka. Efa nisy tamin'ny andron'i Zafy Albert no sady Tanindrana ny filoha no tanindrana ny praiminisitra (Fracisque Ravony sy Emmanuel Rakotovahiny). Anisan'ny naharatsy endrika azy io na dia maro tamin'ny minisitra aza no tanivo (Merina sy Betsileo). Tamin'ny andron-dRatsiraka indray dia nokendreny ho tanivo hatrany ny praiminisitra (Betsileo ny ankamaroany afa-tsy ny Jeneraly Desiré Rakotoarijaona ihany). Fa eto kosa efa Merina ny filoham-pirenena mbola Merina ihany koa ny Praiminisitra ary samy FJKM ihany koa izy ireo. Nahatsiaro ho voahilika ve ny Katolika (indrindra rehefa nalefa nisotro ronono ny Son Eminence Armand Gaetan Razafindratandra)? Ny hita aloha dia te-haka ny fijoroany tsy miaraka amin'ny fitondrana ary tsy te-hifampitambitamby amin'ny fitondrana ny Arshevekan'Antananarivo vaovao Odon Razanakolona. Nanomboka tamin'ny tsy nanekeny halain'ny angidimbin'ny filoham-pirenena tany amin'ny faritra SAVA iny izany. Tsy maintsy nanitikitika ny sain'ny filoham-pirenena iny fihetsika iny. Io indray ilay resabeko e!

Marihina anefa fa na dia tsikaritra ho manana fironana mitongilana amin'ny FJKM io aza ny filoha dia tsy vitsy mihitsy ny olona avy amin'io antokom-pinoana io no tsy mankasitraka ny fitsabahana be loatra ataony. Mihevitra izy fa izy sy ny volany no tena iankinan'ny fiangonana. Atao hoe resaka fiaraha-miasa hatrany ilay izy nefa mikendry hatrany izy ny hanao kendaroroka ny fiangonana sy manery ny safidiny ho safidin'ny fiangonana. Nasehon'ny fiangonana hafa fa manana ny fijoroany ny fiangonana, efa tokony hampieritreritra azy ireny. Te-hijoro amin'ny mahaizy azy ny fiangonana, tompoko, fa aza terenao hiankina aminao. Ary mampiseho azy miharihary ny EKAR aloha amin'izao fotoana izao.

Dia izay indray ny resabeko androany.

Isaorana ny Katolika

2008-11-02 @ 16:12 in Finoana

Alahady indray ny andro. Raha aty amin'ny tany mahantra andalam-pandrosoana mbola mahery ny fivavahana. Alahady voalohany amin'ny volana aogositra, fandraisana ho an'ny protestanta amin'ny ankapobeny. Ny an'ny Katolika eto amin'ny arsheveshe Antananarivo indray dia famaranana ny sinaody lehibe.

Vory maro dia maro tokoa ny mpivavaka avy amin'ny EKAR maneho ny firaisan-kinany sy ny fahazotoany. Tsy mba mifidy toerana tokoa ry zareo na dia mingaingaina tokoa aza ny hainandro.Ataoko fa tsy latsa-danja amin'izany ny fanentanana isam-piangonana tany. Ny protestanta manko amin'ny ankapobeny na entanina aza dia manao hoe iza koa no hitanin'andro any?

Fa ny tena mahavariana ary tsy mitsahatra aho ny mamerimberina dia hoe fa inona foana ity fanapahana ny lalan'Anosy andro alahady maraina ity ka manakorontana ny fiainana andavanandron'ny olona hatrany. Tsy misy afa-tsy eo ve ny toerana ahafahana manao izany. Nisy hazakazaka bisikileta maraina indray manko nanodidina an'Anosy. Tena voahelingenina ny rehetra satria tapahina ny lalana ami'nny fotoana tahaka ireny. Izany no isaorako ary ankasitrahako ny katolika fa tsy mihemotra amin'ireny izy ireo. Vao maika aza manaika ny hambom-pony raha izany ihany koa no azo ilazana azy.

Tsy nandeha mivantana tamin'ny haino aman-jerim-panjakana moa ity fotoan-dehiben'ny katolika ity... ary manahy mafy aho fa tsy nanatrika io ny filoham-pirenena. Saika tsy nolazaina tamin'ny rnm ny fisiany fa tamin'ny vaovao teny frantsay ihany no nilazana azy. Eo no manahirana satria hevitro manokana tahaka ny tsy miraharaha ny katolika mihitsy ny filoham-pirenena.

Fa ny iverenako hatrany ihany koa dia ny faneken'izay tompon'andraikitra ny hisian'ny fanelingelenana mandrakariva isaky ny alahady voalohan'ny volana. Tena omeko tsiny mihitsy izay tompon'andraikitra manaiky ilay izy satria toa fanivaivana ny zavatra fikirin'ny maro no ataony manapaka io lalana maro mifamezivezy rehefa alahady io (na ny ankehitriny na ny taloha). Raha vitsy an'isa ny kristiana dia tsy olana mihitsy fa raha betsaka kosa hananany olana ihany io ny farany. Izaho moa dia manameloka mandrakariva io fanelingelenana io hatramin'ny ela ary fantatrareo izay nanaraka ny bolongako hatry ny ela izany.

 

Zain: Tsy afa-niantso mihitsy - fahombiazana

2008-11-01 @ 17:06 in Toekarena

Androany Sabotsy nanomboka tamin'ny enina ora maraina ka hatramin'ny enina ora hariva dia fotoana manokana ho an'ny mpanjifan'ny zain eto Madagasikara. Nanao ny dokambarotra hoe zain voky manko ry zareo ka ny natao tamin'izany dia niantso ny 636 (antso ifidianana ny sara tiana handaniana ny fahana) ka anesorana 2000ar ny fahana anananao fa afaka miantso izay tianao antsoina ao anatin'io ora io ianao.

Teny antenantenam-potoana ary dia ninia niantso zain iray aho fa tena hika tanteraka ny tambajotra. (le reseau est saturé). Izany hoe nanararaotra nampiasa ny zain voky avokoa ny maro amin'ny mpanjifany mba hiresahana amin'izay tian-kiresahana nefa Ar 2000 monja no esorina aminao. Ny fahavoazana fotsiny raha toa ka efa nanala ny Ar 2000 ianao nefa tsy tafiditra amin'ny tambajotra mihitsy dia fatiantoka ho anao izay.

Na dia nahita ity tolotra ity aza moa aho dia tsy nanao azy satria fantatra ihany ny Malagasy fa ho roboka avokoa. Ahatsiarovana ny madacom razamben'ny zain nanomboka tamin'ny iray maraina ka hatramin'ny 4 maraina nefa vola kely ihany no aloa izy ity. Ny mahavariana ahy sy tadidiko... tsy mbola sahy nanao tolotra tahaka izao mihitsy ny france telecom (Orange) hatramin'izay teto Madagasikara. Ny any aminareo aloha no tsy fantatro e!

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2008 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox