Tsy hiditra any amin'ny fanjanahantany aho fa izay hatramin'ny nahazoana ny fahaleovantena ihany no raisiko. Hevitro ihany no mivoaka eto ka azon'ny mpamaky lavina. Asaina koa ny mpamaky hamakafaka raha mba mitombina sy azo raisina ihany ny zava-boasoratra eto.
Fahadisoana voalohany ny fanesorana ny karatra isan-dahy. Tsy maintsy mandoa karatra avokoa, izany hoe tsy maintsy mandoa hetra avokoa ny lehilahy rehetra tamin'izany fotoana izany, satria ny lehilahy no miasa sy mihary ao amin'ny ankohonana. Tsy maintsy aloa izany satria izay ihany koa ny ikarakarana ny sosialin'ny olona ary nahafahana nanaovana maimaimpoana ny fitsaboana sy ny fampianarana hatrany amin'ny tanàna kely lavitra andriana any.
Naninona no nesorina ny karatra isan-dahy? Tsy ampela-tanana ny lahatahiry fa izay sendra voavaky tamin'ny ranty na boky ihany no nahafahana nakana tsoa-kevitra. Satria tamin'ny voalohany dia isan'olona lehilahy no nampandoavan-ketra ary azo savaina mihitsy ny olona miakatra an-tanàna raha nahaloa ny hetrany... dia iny koa no nahatonga ny anarany ho karatra isan-dahy.
Misy anefa ny olona tsy mihevitra ny hiakatra an-tanandehibe ka tsy manahy ny ho voasava karatra, maro amin'ny Malagasy ihany koa no mametraka ny harenany amin'ny biby fiompy ka ny malaza indrindra amin'izany dia ny omby. Tsy maintsy mitady vola hampiodinana ny raharaham-panjakana anefa ny fitondram-panjakana dia nisy ny nahita hevitra hoe maninona ihany koa raha asiana hetra ny isan'omby? Izany hoe hetra miankina amin'ny haren'ilay olona io. Ny fahazoako ny tantara no nahafahana nihevitra fa tsy nanaiky io fampidirana hetra miankina amin'ny harena io ny mpiompy ary voalohan-daharana amin'izany ny any atsimon'i Madagasikara. Izay ihany koa no nikomian'ny olona tany niaraka tamin'ny MONIMA nahatonga ny Avrily 1971.
Rehefa nandray ny fitondrana ny Jly Ramanantsoa ka ho fakana ny fon'ny olona dia ny "karatra isan-dahy" no nofoanany voalohany indrindra. Noho ny fakàna ny fon'ny olona dia ny fidiram-bolan'ny faritany (mbola province no niantsoana azy tamin'izany) natao hikarakarana ny vahoaka no nesorina. Io ilay fahadisoana voalohany. Fomba ahoana no ahazoana mampihodina ny raharaham-panjakana nefa nofoanana ny fidiram-bola ho amin'izany?
Koa fepetra voalohany mba hahatonga ny olona ho tompon'andraikitra tsy maintsy manana adidy eo amin'ny firenena dia ny famerenana io karatra io ka tsy isan-dahy intsony fa isaky ny olon-dehibe na efa nisazy na tsia. Toy ny karatra miaraka amin'ny kara-panondro. Tsy mahazo miditra tanandehibe, tsy mahazo mivezivezy eo an-tanandehibe rehefa tsy nandoa hetra sy tsy manana ny karatra entina manaporofo izany. Mazava loatra fa ny mpiasa amin'ny orinasa dia ny orinasany no mikarakara ny karatry ny mpiasa ao aminy, mahalala ny IRSA, ary amin'izay fotoana izay ny mpiasa tena mahatsapa fa voaloa tokoa ny IRSA rehefa mahazo ny karany izy fa tsy zary soratana eo amin'ny taratasin-karama fotsiny.
Miharihary ny voka-dratsin'ny fanafoanana ny karatra isan-dahy. Anisan'ny mahery indrindra dia ny fiheverana fa afa-tsy mandoa hetra rehefa "kely karama", na misy toe-tsaina hoe tsy tokony handoa hetra satria kely ny vola miditra amiko. Izaho manao hoe na iza na iza, tsy misy anavahana, rehefa amin'ny fotoana tokony hiasany dia mila mandoa ny hetrany. Na dia ny mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolo aza dia mila mandoa na dia mety hisy fampihenana aza rehefa mitozo amin'ny fianarana sy afaka fanadinana fiakaran-dingana ianarana, fa mitovy amin'ny olon-kafa rehetra raha vao tsy afaka fanadinana fiakaran-kilasy.
Miala ho azy amin'izay fotoana izay ny kivelombelona sy ny katsentsitra fotsiny satria ireny indrindra no maha-borona ny firenena.
Manaraka izany, efa misy ny hetra alaina amin'ny trano fa ilaina ihany koa ny fisian'ny hetra alaina amin'ny fiara (na miasa na tsy miasa), hetra amin'ny maha-harena lehibe azy fa tsy amin'ny maha-miasa na tsia azy. Io fiantohana amin'ny fiara rehetra io tokony ho fidiram-bolam-panjakana fa tsy fidiram-bolan'orinasa tsy miankina mahatonga ny fitenenana hoe "vol autorisé" (halatra nahazoana alalana). Amin'izay fotoana izay tsy "assurance" intsony no takiana miaraka amin'ny taratasin'ny fiara fa ny "hetra" naloa taminy isa-taona, atao arakaraka ny heriny (CV) sy ny haben'ny vesatra zakany (entana sy olona). Dia safidy sisa ny fanaovana na tsia izany "assurrance" izany. Ny nahavariana ahy tamin'ity toe-javatra ity, izay mahatsiaro no mahalala fa nisy hetra nalaina tamin'izany fahitalavitra izany tamin'ny Repoblika faharoa, satria mbola rendrarendra no niheverana azy tamin'izany... fa ny fiara ve tsy nisy hetra rehefa tsy natao itadiavam-bola?
Tsy tokony hahamenatra ihany koa ny fitakiana hetra amin'ny fikambanam-pivavahana na inona na inona ary lafo kokoa izany ho an'izay tsy manana trano raikitra naorina hanaovana izany fivavahana izany, fa tsy manofa aman'olona na orinasa na fikambanana hafa satria misy ny te-hitango vola vetivety fotsiny. Mazava loatra fa tsy maintsy manana fitantanam-bola mangarahara ny fiangonana na fikambanam-pivavahana fa tsy kobokobonina samirery any. Mazava loatra fa raha misy fikambanam-pivavahana iray mijoro eo amin'ny firenena na eo amin'ny faritra (kaominina sy fokontany) dia omena fe-potoana izy amin'ny fananganana trano ivavahany.
Tsy voatery noho izany ny isam-batan'olona, fikambanana, orinasa, sns hitady tombombarotra fa rehefa misy fidiram-bola na dia rakitra aza dia efa andoavan-ketra iny izay. Amin'izay fotoana izay manan-jo ny rehetra hitaky ny tamberin'andraikitra tamin'ny hetra naloany ary tsy maintsy manana kara-ketra avokoa na iza na iza, hatramin'ny fikambanana isan-karazany.
Hevitro iray amin'ity lohahevitra andiany voalohany amin'ireo fahadisoana nampahantra an'i Madagasikara satria ny vola fitady ary herim-po fanary, tsy hisy ny kisangisangy sady efa misy rahateo ny teknolojia (QR Code,...) ahafahana manamarina ny karatra tsirairay. Tsy maintsy hisaina amin'ny maha-olondehibe azy ny olompirenena ka tsy hisy intsony ny hihalangalana amin'ny andraikitra tokony horaisiny.
Misy ny gazety malagasy sasany no tsy fampahafantarana ny zavamisy intsony no ataony fa dia mamorona tsotra izao ary tena fanasoketana ranoiray no soratany. Orinasa iray eto Madagasikara tratran'ny fahasahiranana tao anatin'ity taona vaovao ity, ary tratran'ny fikatonana vetivety, no mbola nasiany mafy araka ny fitenenana, tonga amin'ilay fitenenana hoe tsindrio fa lavo. Tsy ferana ihany koa ny fisian'ny felaka ao ambadika avy amin'ny mpifaninana, izay henatra ho an'ny haino aman-jery malagasy amin'ny ankapobeny.
Azoko natao tsara ny miteny hoe tsy misy idirako ny amin'izany fa angaha izaho moa miasa ao intsony? Fa tsy mety ny saina, mody vazaha no soketaina ho mpisoloky, fa raha mahalala ny fizotran'ny asa, dia ny Malagasy ihany no tena afa-baraka sy lasibatra amin'ny lahatsoratra. Fa io moa tonga amin'ilay hoe alefa daholo ny lainga fanalam-baraka rehetra sao dia mahavoa sy maharesy lahatra ny mpamaky ihany.
Misy ireo anarana fantatry ny olona dia ireny no tena aderadera, saingy... efa nisy anaran'olona tsy misy ifandraisany amin'io orinasa io intsony notonontonina, entina handresena lahatra angamba hoe tena marina anie ity lazainay ity. Efa herintaona ilay vazaha iray voatonontonona no tsy mitantana ny orinasa intsony ary, raha izaho manokana, tsy mahalala izay misy azy hoe mbola eto Madagasikara ve sa tsia? Ary ny anaran'ny vazaha iray notononina faharoa indray dia tsy mipetraka eto Madagasikara, tsy manao asa ary tsy miditra amin'ny informatikan'ilay orinasa tiana alaina baraka.
Ny nandrafitra ny informatikan'ilay orinasa dia Malagasy ary efa nodimandry izy, telo taona lasa izay. Izaho izay manoratra dia efa tsy tao intsony herintaona taorian'ny nahalasa io Malagasy, sady tale tao amin'io orinasa io. Tsy mihevitra aho fa hahaova rafitra tao anatin'izay fotoana izay ireo "sisa tavela" tao amin'ny orinasa, sady ny fahamailoana amin'ny fitantanana ihany koa no mametraka fa tsy ataotao foana ny manova rafitra (informatika) raha tsy efa tena ilaina izany.
Izay fotsiny ihany dia ampy hamaliana fa lainga sy fanosoram-potaka no ataon'ilay gazety. Tsy mahasolo tena ilay orinasa aho ary tsy manana zo hanao setriny ao amin'ilay gazety, fa mampita izay ilaina ho fantatry ny hafa hoe gazety be mpamaky ve ianao dia tsy menatra ny hanoso-potaka? Kinendriny manko ny hanesorana ny fitokisan'ny mpanjifa amin'ilay orinasa... Dia lazaovy koa fa nomena vola aho namoaka izao lahatsoratra izao...
Efa tsy dia tia manara-baovao loatra fa toa resaka fifanilihana sy fifampiangana ankolaka no mameno izany. Izay no tsy dia nampazoto nanoratra loatra. Saingy tsy maintsy mangidihidy ny tanana rehefa misy ny toe-javatra tahaka izao.
Vao tamin'ny herinandro aho tao SabNam no mbola nahita menaka (amin'ny bidon mavo) eny amin'ny mpamongady, fa tsy nahita intsony aho androany maraina raha saika hividy. Toerana iray no hany nisy tao fa amin'ny vidiny nitombo 19,5% ka hatramin'ny 22% noho ny amin'ny vidiny nahazatra izany (arakaraka ny mpamongady mahazatra anao).
Vao haingana dia haingana no nisy fitarainana an-gazety amin'ny fandotoana ataon'ny orinasa mpanodina menaka iray ao Toamasina ao, saingy orinasa hafa vao nijoro tamin'ity taona ity indray no nahazo didy hitsivolana hakatona... satria, hono, Ravalomanana ihany no olona ao ambadik'ity orinasa vaovao ity. Tsy haiko izay fahamarinany fa mihevitra izany ho fisintonana lakolosy aho satria orinasa an'ny milaza tena ho Malagasy saingy tsy mbola eken'ny maro ho Malagasy noho ny tsy fanekeny hifanambady ara-dalàna amin'ny Malagasy hafa no lazaina ho tompon'ilay orinasa nanaovana fitarainana.
Dia misy izany ny manararaotra ny toe-javatra, satria ilay orinasa nanaovana fitarainana no manana ny ampahany be amin'ilay tsenan'ny menaka amin'ny bidon mavo raha aty amin'ny faritra misy anay. Mety ho avy ihany koa ny tsahotsaho izay tsy marina fanaon'ny te-hanatsafa fa mety nandoa vola tany amin'ny tompon'andraikitra ambony tany hanakatonana ny orinasan'ilay gasy kely ny tompon'ilay orinasa iray dia mamerim-bola izy ka alentika kely aloha ny menaka hitomboan'ny vidiny, fa tombatombana any amin'ny tsy izy izany.
Ny hany marina aloha dia tsy misy ny menaka, mipenimpenina daholo ireo mpividy amin'ny atsinjarany fa tsy mahazaka vidin'ny iray tavoahangy. Taorian'ny krizin'ny arina izany dia menaka indray no bizina ahazoana vola haingana eto amin'ny tanàna.
Tonga amin'ny fotoana lazain'ny olona ho Apokalipsa ny zavamisy eto (ao) Antananarivo. Loza no dikan'ny Pesta na niavian'ny teny hoe pesta, hoy ny mpandalina ny teny. Dia tery ny tena hanoratra, toy ny fanoratr'ilay nanoratra ny Apokalipsa hita ao amin'ny baiboly: "Soraty... Izao no lazaovy amin'Antananarivo". Saingy tsy hoe nifandray amin'Andriamanitra aho na nodidian'Andrimanitra hanoratra nefa toy ny misy manery izany. Tsy mety mahavita tsara ny zavatra tokony atao raha tsy vita izay tokony hosoratana, toy ny hoe ozona tsy afa-manao na inona na inona raha tsy vita izay tokony hosoratana. Izay ve ilay aingam-panahy?
Inona ilay hosoratana? Ny loton'Antananarivo, ny korontan'Antananarivo, ny gaborarak'Antananarivo. Tonga ny fotoana tsy maintsy ilazana fa raha te-hivoatra na te-handroso kokoa i Antananarivo dia tsy maintsy maka izao fanapahan-kevitra mety efa fantatrareo mpamaky izao: Miala eto Antananarivo ny tsena ankalamanjana, na anaty fefy na ivelan'ny fefy, ary miala hatrany amin'ny 20km any mihitsy. Efa voretra loatra ny mponina ka isaky ny alamina dia miverina amin'ny gaboraraka hatrany rehefa avy eo satria heveriny fa izay no "voajanahary" aminy.
Faramparan'ny volana septambra, andro talata, nalamin'ny polisy kaominaly tsy maintsy ho tafiditra anaty fefy avokoa ireo mpivarotra anaty arabe eo Andravoahangy... dia nanaiky ny halamina ry zareo, nifaneritrery tao anaty tsena tao, hay ve manana toerana ao ry zareo fa tsy tiany fotsiny izao satria maneritery ny fiainany sy heveriny ho tsy hahazoany mpividy? Andro tsena anefa ny alarobia ka dia rava avy hatrany ilay fandaminana nezahina ny omalin'iny. Natao inona fotsiny ilay fandaminana teo raha rava avy hatrany izany ny alarobia? Dia tsy nety intsony ny tohiny fa asabe ho an'izay tokony hanao ilay izy indray. Manao ahoana indray ilay ao an-tsena? Ilay arabe mankao amin'ny toby fitiliana aretina araka ny filazan'olona azy dia mirefy 4metatra ny sakany raha kely indrindra fa bahanan'ny mpivarotra tanteraka ny fidirana mankao ka lalan'olona iray zara raha antonona olona iray no tsy maintsy ifanosehan'izay te-hiditra avy eo. Azo atao tsara ny mampisy lalana fidirana roa na telo fa tena sakanan'ny mpivarotra tanteraka izany fa ilay lalana iray iny ihany no tsy maintsy izorana. Dia mihodikodina ao ianao.
Fa ao anatin'io tsena io koa feno kizo. Mandeha mahitsy ianao fa rehefa tonga any amin'ny farany dia tsy misy lalana intsony, tampina tampoka ny lalana. Raha misy zavatra nojerenao teo ka mihevitra ny hiverina eo ianao afaka kelikely dia tsy hitanao tampoka ny lalana mankeo amin'ilay saika iverenana. Tsy diso lalana anefa ianao fa nisy mpivarotra iray na roa nanisaka ny toeram-pivarotany antenantenany teo, lasa ry zareo tampoka no faran'ny lalana raha tokony amin'ny sisin'ny lalana no misy an-dry zareo izoran'ny olona eo afovoany. Be ihany koa ny lalana zara raha antonona olona iray fa tsy azo ifanenana, nefa ao ambadiky ny mpivarotra malalaka be azo ametrahana kamiao (tsy milaza mihitsy aho hoe misy mametraka kamiao ao). Izany hoe manao izay tiany ny mpivarotra ary manao izay metimety aminy na ho fanampenana ny lalana aza izany.
Rehefa tonga indray ny folakandro, indreny ny sarety maro mitatitra entana miala an'Andravoahangy ary mizotra ho any Behoririka sy Analakely, hamonjy tsimoramora ny tsenan'i Mahamasina izay hotontosaina ny alakamisy. Tsy izay rehetra nivarotra tao Andravoahangy no hihazakazaka ho any Mahamasina fa tsy vitsy ihany koa ry zareo na izany aza. Matiantoka ny fifamoivoizana fa tsy maintsy manaraka ny dian'ny sarety enti-tanana. Lazaina izany hilazana fa singa iray anisan'ny miteraka fitohanana indrindra eto Antananarivo ny fisian'ny tsena. Raha foanana any io tsena io, foanana fa tsy hoe afindra toerana, dia tsy misy loatra intsony ny ilàna ny sarety sy ny posy. Asabotsy izany moa dia tsy azon'ny fiara misy maotera idirana intsony ny izany Isotry izany. Fa na môtô aza ianao dia sahiranao raha mitetateta ny hitsofoka satria hoe arabe.
Asa raha efa hitanareo ilay lalana mankany amin'ny "Charlemagne" taloha iny fa mandeha ambonin'ny entambarotra ny sarety sy ny fiara, izany hoe sabakain'ny fiara ao anelanelany ao ny anana sy ny legioma amidy amin'ny tokony ladina an-tany. Dia mba mandingadingana ireo hanina amidy ireo ihany koa ny mpandeha an-tongotra. Izany ve no vahaolana amin'ny sady anaovana tsena ny arabe no handehanan'ny fiaran'ny olona mipetraka eo amin'ny manodidina ihany koa? Tsy maka lagy tokoa angamba isika nefa na izany aza dia tafahoatra... tsy maintsy apetraka ny fitsipika... ary tsy omena fakampanahy intsony ny olona hoe androany ihany io no milamindamina anaty fefy fa ny hariva ihany aza dia miparitaka manerana ny arabe indray. Sisa fanafodin'izany? Foanana tanteraka ny tsena ankalamanjana na anaty fefy iafiana tsindraindray rehefa te-handamina iny ny tompon'andraikitra na ivelan'ny fefy ivoahana rehefa reraka ny mandamina ny tompon'andraikitra.
Fepetra tsy maintsy raisina ihany koa ny fandrarana ireo fiara rehetra tarihim-biby na tarihin'olona, ary raràna ihany koa ny fidiran'ny kamiao be velarana na andro na alina fa tsy maintsy afindra amin'ny fiara antonontonony ny entana raha tiana ampidirina eto (ao) Antananarivo. Farany, tsy hoe tolo-kevitra ireo fa tsy maintsy atao raha tiana hivoatra ny tanàna, saingy efa safidintsika mihitsy ny ho gaboraraka satria izay no heverintsika ahafahana mivelona. Omeo tolokevitra hafa mahomby kokoa aho raha heverinao fa tsy mety mihitsy izany fanesorana ny tsena izany. Ho avy indray moa ny faran'ny taona dia hangatahana indray ny fepetra manokana ivarotana isan'andro amin'ny arabe? Eritrereto ihany fa ny Shinoa no mahazo tombontsoa voalohany amin'izany...
Tsy ho lava resaka aho raha mbola azo atao ihany koa. Misy ny zavatra mampiahiahy ahy, indrindra amin'izao fahatapahan'ny aterineto be mpiserasera indrindra izao raha jerena maika ny zava-misy. Tsikaritra voalohany raha vao tsy nisy fotoana elaela kely ny rano ary nolazaina fa ritra ny reniranon'Ikopa tamin'izany fotoana izany dia ny tabataban'ny gazety, noho ny fanazavana any ambadika any hoe afaka efatra andro dia ho ritra tanteraka ny ranon'i Mandroseza... Nikorontana ny olona ary dia niakatra tampoka ny vidin'ny daba fitehirizan-drano. Dia niresadresaka amin'ny mety ho tsy fahampian'ny vary indray ny minisiteran'ny varotra, fa toy ny iray indray ny gazety, nilaza fa manakaiky ny 2000 ariary na 1900 ariary ny iray kilaon'ny vary, ny harivan'iny ihany dia tafakatra 1800 ariary ny kilaon'ny vary 1600 ariary vao teo.
Ohatra fotsiny amin'ny taom-panararaotana ireo voalazako ireo fa fetsy koa ity mpanome tolotra aterineto-nay ity an! tapaka ny aterineto, nefa mandeha ny youtube, fa raha te-hampiditra ny anaranao sy ny tenimiafina ianao dia tsy hita nanjavonana ilay youtube. Dia tsy afa-mampita vaovao loatra izany izahay raha izany... Antitranteriko izany fa misy manao fetsifetsy manao izay hikorontanan'ny olona hatrany eto ary olona mahafehy ny gazety sy ny fifandraisana izy ireo matoa mahavita mampakatra ny vidin-javatra eo noho eo, sady manararaotra toy ny banga mihomehy alina, satria tsy mahateny ny governemanta sy ny mpitondra ankehitriny.
Jentilisa, Alahady 29 janoary 2017
Zavatra nahaliana ahy hatry ny fahazaza ny politika. Mety hahagaga anao angamba izany teny izany hoe fahazaza nefa dia izay no marina. Tamin'izaho folo taona no efa nentin'ny raiko hanatrika fiantsoan'ny Monima (antoko mpanohitra ao anatin'ny Mandatehezana Miaro ny Tolom-Piavotana) ny vahoakan'Antananarivo tao amin'ny Coum 67ha. Tamin'izany fotoana izany no nahalany depiote teto Antananarivo an'i Monja Jaona, izay indrisy moa fa nanenjika Merina taty aoriana. Antananarivo hany mijoro eo anatrehan'ny fitondrana foibe tamin'izany fotoana izany. Ilazako aminao izany fa novolavolaina tao anatin'ny fikatrohana politika ivelan'ny antoko politika aho ary efa nanana ny hevitro manokana ihany koa. Dia marihina eto fa hatramin'izay ka hatramin'izao aho dia tsy mbola nisoratra anarana tamin'ny antoko politika na fikambanana politika na iza na iza. Tsy adinoina ihany koa ny nitondrana ahy teny amin'ny Catalanes, nefa tsy azo itondrana zaza hoe ny famangiana manjò eo amin'ny fomba malagasy, tamin'ny nahafatesan'ny kolonely Ratsimandrava filoham-panjakana tamin'izany fotoana izany... Vao efa-taona monja aho tamin'izany fotoana izany.
Henjana dia henjana sy tsy mbola zakan'ny besinimaro amin'izao fotoana izao ny fihevitra sy fomba fiasa ara-politikako raha izay no azo ilazana azy. Tsy misy mahafapo ahy ihany koa ireo antoko politika rehetra misy eto Madagasikara amin'izao fotoana izao fa izay manakaiky indrindra amin'ny fototra na firehan-kevitro no nofidiako na be aza ny tsy itovizako amin-dry zareo. Raha heverina tsotra dia manana firehana henja-piheverana aho, revolisionera fa tsy mpisolelaka mamitaka mpitondra fanjakana. Tsy hisy hanaiky izany hoe esorina eto Antananarivo renivohitra ny tsena ankalamanjana rehetra izany, na isa-potoana iray ao anatin'ny herinandro aza, nefa dia izay no tadiaviko (ohatra ny tsena alakamisy eo Mahamasina).
Raha amin'ny zavamisy eto Antananarivo dia ataoko fa efa miharihary aminao ny fanohanako ny asam-panadiovana amin'izao fotoana izao. Sarotra dia sarotra io sady mandeha ambony hoditr'akondro ihany koa. Ny nandrafetana ny tanàna mihitsy no olana fototra ary amiko, ohatra, dia tokony nosaziana, na iza na iza, izay nanome alalana tamin'ny fananganana ireo trano fivarotana eo Behoririka amin'ilay antsoina hoe Gauloise taloha eo. Ety dia ety loatra ny lalan'ny mpandeha an-tongotra, na navela hanao ny danin'ny kibony ny nanangana ny trano. Tokony nohalalahana ny lalana na ho an'ny fiara na ho an'ny mpandeha an-tongotra. Tsy tokony ho fiatoana fa fijanonan'ny fiara fitateram-bahoaka ihany koa eo.
Ireo tsena namboarina rehetra teto Antananarivo ihany koa, amiko dia tsy misy mety fa toy ny manenjika hampiditra isan'olona amin'ny toerana kely velarana, manome vahana ny mpangaro-paosy avokoa. Rafitra toy ny mitaiza ny olona hirona amin'ny kivarobarotra fa tsy mametraka ilay olona ho tena mpivarotra mandoa ny patanty sy ireo hetra sy haba rehetra tokony aloa fa tsy mihevi-tena ho madinika tsy mahaloa izany hetra izany. Tsy mety ihany koa ny toe-tsain'ny mpivarotra mamela ny hafa hivarobarotra eo anoloan'ny fandraharahana ataony, izay miteraka fibahambahanana avokoa, mety hahatezitra anao angamba izany fa hoe tsy misy fitserana ny mahaolona mihitsy ve? Amiko dia misy sandany izany fipetrahana sy fiasana eto amin'ny renivohitra izany. Fa raha ny fampidiran-ketra eto Antananarivo aza tsy voafehy dia ahoana ny ifehezana ny fampidiran-ketra manerana an'i Madagasikara? Tsy mahagaga raha manjaka ny kolikoly. Ny endrika tsena ho an'ny daholobe misy eto Antananarivo manakaiky indrindra amin'izay heveriko dia io Pavillons Analakely io, nefa io aza mbola tery loatra ny lalan'ny mpiantsena fa tokony hahatafiditra fiara na dia tsy azon'ny fiara aleha aza, izany hoe amin'ny ankapobeny dia lalana manana sakany efatra metatra raha kely indrindra fa ahafahan'ny fiarabe mpanadio tsena amin'ny alalan'ny fanasana azy amin'ny rano izany. Tokony hanintona olona indrindra ihany koa, tahaka ny taloha ny endrika tsena feno arcades na karazana lalana sy vavahadin-tsena iray mananan karazan'entana manokana amidy.
Arcades natao ho lalan'ny mpandeha an-tongotra irery ihany, tsy azon'ny fitaovana rehetra misy kodiarana andehanana afa-tsy amin'ny sasakalina ka hatramin'ny efatra maraina, fotoana ampidirana ny entana amidy ao an-tsena, soritana fa tafiditra amin'ny fampidirana na famoahana entana eto ihany koa ny fanadiovana sy fanangonana ny fako aterak'izany famindran'entana izany. Voafaritra ao anatin'ny fitaovana misy kodiarana avokoa ireo mandeha motera na voizin-tongotra na voizin-tanana, na apetaka amin'ny kiraro, fa ny hany karazana fitaovana misy kodiarana tokana azo entina dia ireo fitaovan'ny tsena, atosi-tanana, itondran'ny mpiantsena ny entany raisina sy ajanona eo am-bavahady efa misy itoerany manokana. Ireny ihany koa no itondran'ny mpivarotra ny entana amidiny rehefa tsy nahatratra ny ora fampidiran'entambarotra izy. Ny mpivarotra rehetra dia manana velaram-pivarotana sivy metatra tora-droa raha kely indrindra, tsy misy mpivarotra entana mijorojoro an-dalan'ny miantsena miaraka amin'ny zavatra amidiny fa heverina avy hatrany ho mpijirika sy jiolahy izay manao izany ka omena sazy henjana dia henjana. Ny tsena dia misokatra manomboka amin'ny dimy sy sasany maraina - izany dia noho ny sakafo maraina indrindra indrindra - ary ny fikatonan'ny tsena aloha indrindra azo ekena ankoatra ny fotoana manokana dia amin'ny valo ora alina, ny fisokafana farany azo ekena kosa dia amin'ny sivy sy sasany maraina. Azon'ny hafa atao kosa ny mivarotra hatramin'ny sasakalina. Fanadiovana faobe ny tsena ataon'ny mpitantana kosa manomboka amin'ny telo ka hatramin'ny dimy maraina, fandraofana ireo fako nangonin'ny mpivarotra tamin'ny fampidirana entana sy fanasana ny tsena iray manontolo.
Tsy azo leferina ny halatra sy ny fandrobana, ny fanendahana sy ny haro-paosy ao an-tsena ka hatramin'ny 50 metatra manodidina ny tsena fa heverina ho fananihana lapam-panjakana ahazoana ny sazy ambony indrindra, tahaka ny tamin'ny andron'ny Ombalahibemaso. Tsotra ny antony: iankinan'ny ain'ny mpiantsena sy ny mpivarotra, ny aim-bahoaka sy ny fandraharahana ary ny toekarena iray manontolo ny tsena ka miteraka fatiantoka goavana na ho an'ny tsirairay na ho an'ny tanàna sy ny firenena ny fanohintohinana ny fampandehanana ny tsena. Amin'ireo fitantarana sy fanazavana rehetra ireo dia sainina fa tsy kivarobarotra no atao fa tena fandraharahana mihitsy, tsy asan'olon-tokana fa olona maro mifandimby sy mifampita raharaha, tsy maintsy misy ny famoronan'asa. Efa lava loatra sahady nefa zavatra hafa mihitsy no saiky hosoratana fa dia tsakotsakoy aloha izay!
Jentilisa 23 janoary 2016
Nanana ny lazany ary efa voasoratra teto amin'ity habaka ity ny revolisiona tsy naneken'ny olo-tsotra avy eny Ambalambahoaka intsony ny vola misy scotch sy ny vola rovitra. Efa misy ihany moa ny hafetsifetsen'ny sasany fa misy mahay manambatra amin'ny lakaoly indray ilay izy fa ezahiny tsy ho hitanao mandray azy mihitsy ny fisian'ny lakaoly. Ny maha-henjana azy, raha tsy mitandrina, dia misy ny mahay manambatra ny vola tsy mitovy laharana amin'ilay izy, fa be ny tsy hahatsikaritra izany loatra.
Eto indray dia resaka vola ihany sy ny fampitomboana azy no lohahevitra, mety ho gaga amin'ilay lohateny ianao, nefa dia izay ilay izy. Ny mahasoloky na tsia azy indray dia mbola baraingo na amiko na aminao ihany koa. Tsy azoko mihitsy hatreto hoe inona no tena tombontsoany na kendreny fa ny tombatombana ihany no betsaka. Vao tamin'ny herinandron'ny 19-25 avrily ity no nandrenesako ny momba azy ity, tamin'ny 24 avrily 2015 no marina kokoa.
Olona iray mipetraka sy miasa tena ao Anosizato Andrefana ao no nanontany ahy hoe: "Ahoana indray izany vola ariary zato lasa arivo, roanjato lasa roa arivo izany?". Tsy azoko tsara ny fandehan'ny resaka dia nasaiko nohazavainy. Nitantara amin'izay izy fa ambanin'ny sarin'ny Madagasikara amin'ny vola dia misy soratra bitika dia bitika, ka misy tarehimarika izy io. Izay tarehimarika rehetra miafara amin'ny 5 eo amin'io tarehintsoratra sy tarehimarika mifampitohy io no mitombo rehefa atakako dia lasa ampitomboina folo.
Gaga fotsiny aho fa tsy mbola fandreko izany. Namaly aho fa angamba vola tsy tokony hivoaka izany vola izany no tafavoaka, ka io marika io no porofony. Eo ankilany dia miaiky aho dia misy ny mahadinika zavatra bitika tahaka ireny, izaho tsy nahalala raha tsy vao izay, fa ny vola ariary zato sy roanjato ihany no tena nahitako azy. Tamin'io andro io ihany dia adinoko ny momba ilay fanakalozana mampitombo vola na dia nikasa ny hanontany any amin'ny toeran-kafa aza aho.
Ny ampitso indray, izany hoe ny 25 avrily 2015, mpiara-miasa iray tao amin'ny birao no nanontany hoe :"Ianareo ve efa nandre ilay hoe manakalo vola ariary zato lasa arivo,roanjato lasa roa arivo, dimanjato lasa dimy arivo?" Namaly azy aho fa vao omaly [zoma] no nandre io resaka io ary nanadino azy raha tsy izy no nanombo-dresaka. Dia raikitra amin'izay ny resakay teo. Andravoahangy sy ny manodidina an'Ankatso rehetra iny izany no efa nandre ilay resaka daholo. Namana iray tao Andraisoro aza nilaza mihitsy hoe ny ariary zato tany aminy no atakalo dimy arivo, ka nilaharana amin'izay ny nankeo amin'ilay olona.
Dia lasa indray ny saina nanontany hoe inona no tena tanjon'izany rehetra izany. Mbola vao eto Antananarivo izy izao fa mety hiely manerana an'i Madagasikara avy eo. Hevitra hafa indray no manombana fa mahantra loatra ilay Malagasy ka omena tsirim-panantenana kely hoe ny ariary zato mety ho lasa arivo na dimy arivo ka tongava aty aminay. Mety ho tanjona ara-psikolojia ilay izy tsy hahamora hikorontana ny olona amin'ny fahantrany. Saingy tombatombana fotsiny izany. Dia mitodika aminao mpamaky aho hoe mba inona tokoa no tanjon'izany resaka izany, araka ny eritreritrao?
Jentilisa 26 avrily 2015
Miditra sahady amin'ny herinandro farany amin'ny fampielezan-kevitra isika eto Madagasikara. Toa hoe ho ela ihany vao ho tonga ilay androm-pifidianana sy ny fahafantarana ny vokatry ny safidim-bahoaka. Mitaintaina ny rehetra efa manana ny safidiny fa mbola am-pandresen-dahatra ireo feno fisalasalana sy efa kivin'ny krizy nateraky ny tetezamitatra kosa ireo komity mpanohana sy ny kandida tsirairay avy. Eto vao tena tolona am-batolampy, araka ny fiteny malagasy, ka izay tsy mahatandrina sy mibolisatra no vaky loha. Eto no lala-mahitsy farany, araka ny fiteny frantsay, saingy mety tsy fantatry ny maro amin'ny Malagasy ny tohiny, fa tsy vahiny kosa amin'ireo tia hazakaza-tsoavaly mpanao "trot", ka mampihintsana avy hatrany ny fanaovana fahadisoam-pamindra mihoatra ny in-dimy.
Tsy miresaka loatra any amin'ny kandida hafa any aho fa mivantana kosa any amin'ny kandida tohanako sy ny komity mpanohana azy, ny laharana faha-33, amin'izao ankatoky ny fifidianana ho filoham-pirenena izao. Tsorina fa tsy any amin'ny programan'asanao na ny hevitra sy ny fandresen-dahatra avy aminao no nahatonga ny safidiko any aminao fa noho ianao napetraka tsotra izao ho sariohatry (fr: symbole) ny fiandrianam-pirenena manoloana ny fanindriana ataon'ny firaisamonina iraisampirenena, indrindra fa ny manoloana ny firenena nanjanaka ny Tanindrazana teo aloha dia ny firenena frantsay izany. Tsy sanatria fankahalana vahiny izany fa fijoroana ho tsy manaiky hoambaniana sy tsy manaiky hohitsakitsahana kosa. Fa raha lazaina ho fankahalana ny fiheverana hoe tsy zanataninao, firenena frantsay, intsony aho ka manan-tsafidy amin'izay firenena tiako iaraha-miasa sy ny fomba iarahako miasa amin'ireo te-hiasa miaraka amin'ny fireneko sady mampandroso sy mampivoatra ny olom-pirenena malagasy dia tsy maninona fa raiso hoe mankahala Frantsay aho. Tsy ekeko ny fanjakazakam-bahiny eto amin'ny tanindrazako ka antony lehibe izany hisafidianako ilay napetraka ho sariohatry ny fiandrianam-pirenena nefa tsy asiana fankahalana vahiny.
Misy ireo kandida te-hametraka tombondahiny manokana ho an'ny firenena sy vondron'olona vahiny mpanitsakitsaka ny zon'ny Malagasy, efa zatra ny mitavana maimai-poana ny harem-pirenena sy mividy mora toa tsy manome lanja ny hatsembohana sy ny ron-doha malagasy, tsy mankany amin'ireny velively ny safidiko. Misy ihany koa ireo mpanandratra ny fiandrianam-pirenena sy mihevitra fa afa-miolonolona samirery ny Malagasy, andron'ny fanatontoloana anefa izao ka mety ho famitahan-tena ihany ny fiheverana tahaka izany. Tsy tsara ny miakin-doha ary tsy tsara ihany koa ny miolonolona satria mbola tsy mahavita tena samirery ka ilaina ny miara-miasa amin'ny vahiny, ka samy mahazo tombontsoa amin'izany fiaraha-miasa izany fa tsy mahatsiaro ho voambaka tanteraka ohatra. Antony iray hafa hametrahako ny safidiko amin'ny #33 ihany koa izany. Tsy reko ho efa namaly ny momba ireo ianao izay kandida hofidiako saingy izay no apetrako an-tsorokao ankoatra izay efa nahatonga ny maro ho lasa mpanohana anao indray: ny hampody ny sesintany politika rehetra. Ianao irery no nanitrikitrika io teboka farany io.
Hofidiana ianao satria toherinao ny fanonganam-panjakana miaramila sy sivily. Hasehon'ireo mpanohitra ny fanonganam-panjakana rehetra ny safidiny ho aminao, hitambaran'ny vato ho goavana sy tsy azo hozongozonina, ka na misy aza ireo mitovitovy firehana aminao dia ny fanohanana anao no fanainga tsara indrindra ho famerenana ny hasina very taona vitsivitsy izao.
Tsy mbola ilaina loatra araka ny fiheverako ny manao fampanantenana hafa fa ireny indray aza no ho teboka hafa hamelezana anao rejefa kelikely eo. Avelao ireo mpanotrona no tena hamboraka ny ao am-pony fa amin'ny fihodinana faharoa ianao vao manao ny misimisy kokoa, raha sanatria tsy maintsy idirana ihany izany fihodinana faharoa izany; hevitro manokana iny.
Araraoty ny hamadihana ny safidin'ireo mpanohana ny tolona laoranjy lasa kivy tamin'ny fanomezana tombontsoa tafahoatra ny miaramila sy ny zandary, ka lasa tambin-karama ny efa hanakaramana azy ireo hatrizay. Lazao azy fa na ilay mpitarika ny tolona tamin'izany aza lasa nangalatra ny lokon'ny antoko naongany sy ny laharana misy azy ao amin'ny bileta tokana tamin'ny alalan'ny fametrahana solon-kandida, ka ianao koa aza manaiky tsy mifidy fa fidio ny tohanan'ilay ankolafy naongana fa aza mifidy intsony ny mpaka tahaka. Asehoy amin'ny alalan'ny safidinao fa tsy ny miaramila sy ny zandary ihany no olombelona eto amin'ity firenena ity.
Efa lavalava sahady izay ny voasoratro sady sopapa vitsy ihany io ry kandida hofidiako ( #33 ) fa anjaranao no mandray na tsia, anjaranao ny mandamina. Anjara birikiko amin'ny fanohanana anao ihany ireo. Anterina indray fa tsy mbola ny teninao loatra no anohanan'ny maro anao, ka tsy mila be teny ankoatra izay tena hotanterahinao ianao, fa napetrakay ho sariohatry ny fanoherana ny fanonganam-panjakana sy ny mpanongam-panjakana ianao. Sariohatry ny fanarenana an'i Madagasikara indray ianao, ary tsy niray petsapetsa tamin'ireo namotika ny firenena. Sariohatry ny fijery mahitsy sy mitandro ny rariny ianao ka tsy manaiky ny zara vilana manome tombony manokana ny ao amin'ny tafika. Raha voatandrinao izay faniriana anatin'ireo lasa mpanohana anao ireo dia ho heni-boninahitra izy ireo ka tsy ho menatra amin'ny safidy nataony.
21 oktobra 2013
Efa ady sy tolona vao mba mahasoratra! Asa! efa tsy liana intsony amin'ny famoahana izay hita sy re ve? tsia kosa angamba fa ny fakam-panahy mety mahazo dia variana mamaky izay soratan'ny hafa fotsiny. Na mety ilay efijery (fafana hoy ny sasany) no kely loatra na ny kitendrin'ny finday no tsy mampazoto? Tsy fantatra intsony fa mbetika te-hanoratra nefa tsy misy lahatsoratra mivoaka akory avy eo. Ity soratako ity izao efa herinandro (alarobia) no nangidihidy tao an-dohako tao fa izao angamba vao tontosa. Tiana holazaina izany fa tsy hoe manoratra ny hafa dia manoratra koa ny tena fa ilay lohahevitra mihitsy no mamaivay any anaty any fa "tahaka ny tsy mba misy mpiresaka andavanandro" na izany aza! Diso tanteraka anefa izany fiheverana izany fa ny fampahalalam-baovao vaventy mihitsy no toa fady ve sa voarara tsy hiresaka azy ity? Aza gaga ianao noho izany raha mbola haba (fehin-tanana) "Power Balance" ihany no ifantohana etoana.
Raha manoratra ity vokatra malaza sy manangom-bola fatratra eto amin'ny firenena ity ny tena tsy hamerina intsony izay efa nolazain'ny hafa. Izao fotsiny no mahavariana. Nazoto sy narisika nandritra ny braderie tetsy Mahamasina ry zareo ary anisan'ny nahazo mpividy be indrindra sy nilaharana aza teo amin'ny tranoheva nivarotany. Ny mpanombana no nilaza fa raha vitsy indrindra dia 1000 ny isan'ny olona nividy hafa isaky ny tapak'andro izany hoe 2000 isan'andro, averina indray hoe raha vitsy indrindra izany. Ny vidin'ny haba iray, araka ny takelaby fanaovana dokambarotra dia Ar30000 fa namidy Ar25000 tao amin'ny "varoboba", nolazaina ihany koa fa averina ny vidim-pidirana raha mividy ilay haba ao anatiny ianao izany hoe Ar24000 ny vidiny nandritra ity "varoboba" ity. Nisy ihany koa ny filazana fa raha mividy iray dia omena iray fanampiny maimaipoana. Andro iray noho izany raha kely indrindra ny vola azon'ny mpivarotra ity marika haba ity dia mitentina Ar 48.000.000 any ho any. Nandritra ny dimy andro no nanaovana ny varoboba ka heverina ho Ar 240.000.000 na 1,2 miliara farantsa malagasy raha kely indrindra. Koa inona no iraharahiany izay tabatabanao raha mahazo izany vola izany izy mandritra ny "varoboba" tao Mahamasina ry zareo? Ianao indray ary no ahiana ho fatifaty foana tsy amin'antony na voasambotra ho mpanakorontana raha hiseho hitabataba amin'izany eny ankalamanjana eny, izay no nahatonga ilay lohateny hoe: Bitika raha mba miteny!
Variana ny tena manao hoe tsy nampaninona anie raha mivarotra haba tahaka ny zavatra rehetra ry zareo ary tsy misy antony hanenjehana azy raha resaka lamaody fotsiny no ividianan'ny olona. Hafa kosa ny fandehany, ary ahiako ho izay no safidin'ny mpaninjara azy, raha lazaina fa manana hery mampanao na mahavita izatsy na izaroa izy... averiko indray "ahiako" satria tsy maharaka izay fanazavana lavabe nataony ampahibemaso aho. Fa inona no mahamaika handafo azy haingana dia haingana? sa mila vola maika? Ny resaka ataon'ny olona an-jorony, izany hoe tsy ampitain'ny fampahalalam-baovao be mpanaraka aminao velively noho ny vola mifafy angamba, dia matetika manao hoe "tsy hitako izay fiantraikany tamiko!" satria niandry fahagagana ry zareo. Raha nisy ny fiandrasana fahagagana dia nisy noho izany ny nampanantena tao ambadimbadika tao. Eo no tena misy ny hafetsena... Mody tsara fanahy amin'ny hoe raha mividy iray dia omena iray maimaipoana! fa izao: tsy mety ampindrampindramina iny haba azonao iny fa ho anao ihany, simba ny "heriny" raha vao hoe anaovako ilay izy androany dia ny vadiko indray na ny zandriko indray no manao azy rahampitso. Noho izany tokony hanana tsirairay ny ao an-trano hampety ny tantana. Raha maro an-trano dia bebe ihany koa ny fandaniana hividianana azy. Fanintonana ataony, araka ny tsilian-tsofina, ny hoe manatsara kokoa ny fahasalamana ny fanaovana azy. Roboka ny besinimaro fa mba hoe tsy ampy sakafo ny tena ka aleo mihafy mividy sitrany ahay! saingy ilay besinimaro tsy mahalala mikaroka amin'ny aterineto sy tsy mba misy mpampahafantatra moa ireo... na resy lahatra tanteraka fa fanosoram-potaka ihany izay voalazan'ny sasany. Akory moa atao fa zakao ny anao rehefa nolazaina saingy :"Misy Mihaaaaiinoo?"
Fa dia miandry fijoroana vavolombelona amin'ireo izay nahazo fahasoavana avy amin'ny fanaovana azy ity izany izahay e! Saingy izao manko, ho be ny ho menatra hoe izaho dia voambaka, rehefa tsy nisy fiantraikany tamin'ilay olona ilay izy fa ny vola teo am-pelantanana no nihena aloha! Tsy afa-manoro hevitra loatra satria tsy niditra tamin'ny fividianana azy ity ny tena ary nanazava tamin'ny olona izay efa nitranga tany Aostralia raha misy manontany. Hoy fotsiny ny eritreritro hoe raha izaho ilay voambaka nefa tsy mety mandray ny fitarainako izay atoniko dia mihevitra aho fa fanakanana ahy tsy hilaza na hamoaka ny tsapako izay ary karazana fanohintohinana ny fahalalahana miteny amin'ny fomba ankolaka (noho ny herin'ny vola indrindra indrindra) dia lasa aho manao trakitra mametaka ny momba ity eny amin'ny andrin-jiro manerana ny tanàna. Fa na eto Antananarivo ihany aza no amoahako azy dia hiely vetivety tsy amin'ny alalan'ny famoaham-baovao be mpihaino na be mpanaraka ny momba ity marika haba ity. Saingy noho izaho tsy voambaka ary tsy nividy azy dia kamo aho ny hanaparitaka izany trakitra izany eny rehetra eny fa dia ny famoahana ny hevitro eto ihany no ataoko. Eto vao tsapako fa na "Bitika raha mba miteny!" aza ny tena dia ilaina ihany ny fananana sehatra tahaka itony ifampizaran-kevitra ary tena zava-dehibe sy tokony tandrovana mafy ny fiarovana ny sehatra tahaka itony. Misy ny sivana ara-toekarena, noho ny vola azo avy amin'ny dokambarotra, amin'izao fotoana izao fa tena sarobidy kokoa noho izany ny fahalalahako manoratra sy mampita aminareo ny tsinapa sy ny eritreritra.
Jentilisa 3 oktobra 2012
Ninia tsy niteny omaly raha nahita ny vohikalan'ny heverina ho mpanohana ny filoha voaongana teo aloha "nisy nisovoka" ny omalin'ny fotoana hahatongavan'ny filohan'ny FAT. Raha nahita iny aho dia efa mampiomana sahady fa hisy fahatapahana tahaka iny hatrany io vohikala io rehefa ho avy ny fotoan-dehibe hitranga eto Madagasikara. Manana ahiahy aho noho izany fa misy "mpamadika" ao anatin'io vohikala "ofisialy" io.
Dia niandry amin'izay ary ny tena hahita izay fandehan'ny fitsenana natao makotroka ka renay izay tsy mpanara-baovao amin'ny fampitam-baovao mahazatra loatra intsony aza. Tsy handeha hanampy ny isan'ny olona kosa anefa fa izay mampita aty amin'ny aterineto ihany no jerena. Dia niandry ny sary avy amin'izay nazoto nitsena na voairaka hitsena noho ny asa ihany koa.
Olona tsy mety alaina sary manatrika hoe
Rere sy niely teto amin'ny aterineto ary nolazain'ny vaovao ihany koa ny fizarana vola sy ny fitaterana maimai-poana fa tsy dia misy idirako lalina ny amin'iny. Ny hitako kosa, raha ny sary hatrany no jerena dia vasoka raha miohatra ny tamin'ny 19 febroary ny hamaroan'ny olona tonga teny. Tsy vola kely anefa no lany tamin'ny fikarakarana iny fitsenana iny. Efa navela hiditra amin'ny fiantsonana izay tsy azo nidiran'ny mpanohana an-dRavalomanana ireo tonga, efa navela ho tonga tany avokoa ny fiara fitaterana an-drenivohitra na dia voarara mafy aza zany tamin'ny volana febroary fa ireny ny olona azony. Jereo ihany koa ny mpitandro ny filaminana fa tsy nihazona basy toa hanambana olona na nitondra baomba mandatsa-dranomaso, izany hoe efa tsy misy na inona na inona ahiana fa izay no tratra e! Na izany na tsy izany dia ny fifidianana ihany no tena ahafantarana izay tiam-bahoaka kokoa.
Indreto misy sary tsy nahazoana alalana nalaina avy tamin'ny vaovaon'ny tvplus izay azonao arahina manontolo an-tserasera ny vaovaony. Ny tsikaritra fotsiny androany dia tsy hitako nandeha ny vohikalan'ny matv.mg tamin'ny fotoana nitsidihako azy izao alina izao ary tsy nisy feo mihitsy kosa na dia nandeha ihany aza ny sary ny tao amin'ny http://www.moov.mg/matv/
Jentilisa 30 septambra 2011, amin'ny 01:20
Somary niato kely ny tena tao ho ao noho ny antony manokana. Hiverina vetivety indray anefa hametraka eto ny sandam-bola malagasy tao anatin'ny folo andro azo nalaina tamin'ny gazety teto an-toerana. Izany hoe somary ataoko mantamanta eo ilay tabilao noho ny hamehana. Ataoko fa ho azonareo ihany ny tiako lazaina avy eo na tsy hilaza zavatra betsaka aza aho satria tsikaritra fotsiny no aseho.
Dollar Euro
22 nov 1986,27 2715,57
23 nov 1982,34 2719,73
24 nov 1990,00 2703,43
25 nov 1997,84 2676,17
26 nov 1997,39 2675,31
29 nov 2006,00 2682,00
30 nov 2010,61 2691,95
01 des 2024,83 2703,69
02 des 2047,19 2730,24
Izany hoe ireo antontan'isa ireo dia amin'ny sandam-bola ariary avokoa. Napetraka ho tahiry ankoatra izay mety ho famoahanareo ny hevitrareo.
Jentilisa 02 desambra 2010 amin'ny 14:08
Somary rere tao ho ao fa hitrandraka solika ao Sakaraha hoe ny Shinoa. Sendra nisy namana nandeha nianatsimo ka nandalo iny faritra Sakaraha iny. Hitany ilay toerana lazaina fa hitrandrahan'ny Shinoa solika. Olo-tsotra ranamana ka sarotra ho azy ny hiditra any amina toby tahaka ireny. Na dia olo-tsotra aza anefa izy dia mba mahafanta-javatra ihany ka hitany tokoa tao an-toerana ny milina fandahavana tany hisintonana ny solika... fa mifanila amin'izany ihany koa dia nahita milina fanasivanana vato fahita any amin'ny toerana fitrandrahana vatosoa izy. Lasa ny sainy nanao hoe Solika ihany ve no trandrahiny eo amin'io toerana io sy voarakitra ao anaty fifanarahana sa mitrandraka vatosoa ao ihany koa ny Shinoa fa mody tsy tenenina? Fantatra ihany manko fa toerana malaza be safira iny toerana iny ary somary mavesatra ny solika amin'iny toerana iny ka manaitra ny rehetra ihany ny tena.
Jentilisa 14 oktobra 2010 , amin'ny 12: 17
Lalao malagasy mampiasa saina ny fanorona, satria mampiasa saina dia misy tetika ao anatiny mba handresena ny mpifanandrina amin'ny tena ao anatin'ny lalao. Nanoratra ny teny hoe diabolika indray aho rehefa tsy hitako izay ilazana azy amin'ny teny malagasy fohy na voambolana malagasy tokana. Amin'ny lalaontsaina Japoney sudoku, izay lalaontsaina mahafinaritra ahy indrindra amin'izao fotoana izao na dia tsy manam-potoana loatra ialana voly aza aho, dia misy dingana efatra : Misy ny lalao ho an'izay vao mianatra (mora), misy ny ho an'ny eo ho eo ihany (antonony), misy ny ho an'ny efa mahay (sarotra) ary misy ny antsoina hoe diabolika (feno fandrika). Ny lalao diabolika izany dia lalao tena sarotra dia sarotra tokoa, mody maneho endrika mora izany ilay izy kanjo tena feno fampisafidianana ka raha kamokamo maika hahavita dia eo ianao no raisina. Tahaka izany indrindra ny paipaika misy eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Miasa dia miasa ny teti-panorona diabolika hampandresena ny mitondra ankehitriny.
Diabolika satria rehefa mitodika eny amin'ny mpanohana ny FAT ny legalista dia ny "fozaorana" no tena eritreretiny bebe kokoa fa tsy ny mpibaiko ao ambadik'izy ireny. Toa minia mijery volonkoditra sy saranga, lazaina ho ambany na ivelan'ny seha-pihariana tsy mandoa ny hetra sy ny haba rehetra amin'ny fitondrana fa jamba kosa tsy mieritreritra fa misy ireo mpanankarena na olona tsongoinolombolo eo amin'ny fiaraha-monina mitango hatrany ny harem-pirenena.
Diabolika rehefa ny olona rehetra heverinao ho manana ny lanjany sy ny anjara toerany teto amin'ny firenena no mamerimberina mandrakariva fa tsy hita loatra ny heloky ny boaikely, na avelao aloha hitondra izay efa eo ahitana izay vitany, nefa ny lalana alehany aza mivarina mankany amin'ny hatsana fa tsy vitan'ny hoe misisika mankao amin'ny kizo. Olona nipetraka tsy tamin'ny alalan'ny safidim-bahoaka ve no avela hitondra, ary hita mivandravandra izao fa lasa manjaka dia manjaka tokoa ny andian-jiolahy?
Diabolika rehefa misy mampilalao ny fivondronan'ny "telo tonta" nitondra teo aloha ny mety tsy ho ao anatiny akory. Ohatra nivandravandra tamin'izany ny "hetsika lehibe" nodradradradraina ho tamin'ny 19 septambra 2009. Rehefa nitambatra ny telo tonta dia lasa ny ankolafy Zafy Albert avokoa no filoha isam-paritra. Ny maro amin'ny mpitarika legalista kosa anefa dia voatery niafina noho ny "raharaha 11 sy 12 septambra". Mampanontany tena ihany hoe tena mivondrona tokoa ve ny telo tonta na dia vonjimaika fotsiny aza? Tsy mahita olona manana ny antsoina hoe "charisme" rahateo aho ao amin'ny ankolafy legalista izay tena toavin'ny mpitolona. Efa nivelatra rahateo ny fandrika amin'izay hisian'ny andian-jatovo teo amin'ny vavahadin'ny magro hitoratoraka fiara mandalo raha nanao fivoriana tao Ankorondrano teo ny legalista.
Diabolika raha mbola misy ny minia fa tsy misy vondron'olona mahay stratejia goavana, mety karamaina na navondrona firenena goavana iray, ao ambadik'izao teti-panorona diabolika izao. Tsy manao na inona na inona fa mitazana kosa anefa ny firenena goavana hafa eo ankilan'izany. Na inona na inona filaza, tena midona any amin'ny sarambambe hatrany ilay hoe "lasa any New York i Andry Rajoelina". Misy fifandraisana diplaomatika goavana dia goavana miasa ao ambadika ao matoa tonga amin'izao sehatra izao ihany ry zareo. Aiza ho aiza kosa ny fivondronan'ny olona stratejy ankilany hilalao izao fanorona diabolika izao? Toa ny mandeha singatsingany no tena betsaka, nefa ny akanga maro tsy vakin'amboa!
Diabolika satria tsy maintsy ampiasaina ny faharetana "endurance", tsy maintsy ikipiana ny fahasahiranana ara-bola mihatra amin'ny isam-pianakaviana izay mahakivy ny maro tsy hanoratra loatra intsony amin'izao fotoana izao, raha tiana ny handresy na farafaharatsiny hifandanja amin-dry zareo eo amin'ity fanorona politika, mora mankaleo ny malagasy ity. Diabolika izay eritreritra milaza ho leo politika izay satria ho entin'ny olona amin'izay tiany anaovany anao foana ianao raha izay no ataonao. Mbola ho aiza, hoy i Kaina? Anjaran'ny tsirairay no manohy na mamakafaka.
jentilisa, 21 septambra 2009 amin'ny 06:53
Ataoko fa tsy mbola nisy resaka mafana momba ny toe-karena tahaka ny amin'izao fotoana izao eto Madagasikara. Miezaka fatratra ny maneho ny heviny ny mpitantana orinasa André Ramaroson ary hita sy re mandrakariva tao ho ao.
Hiainga amin'ny orinasan'ny filoha ankehitriny indray aloha ny resaka androany, nalaza tamin'ny fe-potoana voalohany nitondran-dRavalomanana fa tsy navela hivoaka ny faritry Vakinankaratra ny ronono. Nitady lalana manko ireo tantsaha ireo fa mora loatra no sady mamaly ny volan'ny tantsaha ny tiko. Ny vidin-rononony anefa no takiany fa tsy inona loatra. Vao hitany fa mitady hivarotra ivelan'ny faritra ny tantsaha dia ny Lehiben'ny faritra mihitsy no manome baiko hisakana azy ireo. Manjary tsy mihodina manko ny orinasa raha mitsoaka avokoa ny akora ilainy.
Ankehitriny indray, niampy ny raharaha, any amin'ny menaka ankehitriny no misy ny olana. Olana manao ahoana moa? Hitan'ny mpitantana ny orinasa tiko indray angamba fa tsy dia mandeha ny varotra menaka any amin'iny faritry Vakinankaratra iny ihany raha oharina amin'ny faritra hafa dia miandry kendry tohina ireo mpandraharaha madinika misahana ny raharahana menaka indray ny mpitondra sasany any amin'iny faritra iny ihany. Nitaraina tany amin'ny Conecs,izay mihetsiketsika fatratra amin'izao fotoana, ny mpandraharaha momba ity menaka ity fa anaovana ramatahora izay rehetra mitondra akora ahodina ho menaka any amin-dry zareo, tsingolohana ihany koa ny zavatra rehetra ataony amin'izao fotoana izao. Izany hoe atao izay fomba hanakatonana ny orinasa mba hanjaka tokana ny tiko oil products. Raha misy manko ny tranga tahaka izany dia izay mahazo tombotsoa amin'ny fisian'ny tranga no jerena dia mazava ny mety ho fisian'ny baiko mahatonga izany toe-draharaha izany. loza tokoa anie rehetra tratran'ny ampihimamba te-hihinambe e!
Miresaka menaka ihany isika dia lasa any amin'ny menaka voanio ny saina. Hay tokoa moa toa samy mamboly voanio haodina ho menaka na ny tiko na ny savonnerie tropicale, ary mieritreritra ny hiditra amin'ity taranja iray ity ny orinasa efa fantatsika amin'izao fotoana dia ny Daewoo Logistics izany. Ny fantatry ny rehetra aloha dia mpanao savony ny savonnerie tropicale fa ny adinon'ny rehetra kosa dia mpamoly voanio ahodina ho menaka koa izy. Fa lasa ny saiko hoe sao dia izay no tena nikofohan'ny savonnerie tropicale manokana tamin'iny herinandro iny fa nahare siosio izy ny amin'ny hisian'ny mpifaninana vahiny aminy eto Madagasikara ka mety ho difotra izy raha tonga izany orinasa vahiny izany, na hampihena ny sandan'ny menaka voanio fanondrany izany raha be loatra ny vokatra izany hoe raha be loatra ny tolotra miohatra amin'ny tinady dia mody any amin'ny savony no resaka. Izaho izay mieritreritra hery vahiny ho mamingana nefa hay moa misy tombotsoa malagasy voantohintohina. Ny olana ho ahy etsy ankilan'izay dia ny tsiahy an-tsaina fa toa manana tanim-boanio koa ny tiko saingy misalasala ihany aho, heveriko fa misy antony manko matoa misy tiko oil products amin'iny faritra atsinanana iny.
Tsikaritra iray tamin'ny fanambaran'ny vondron'ny fiaraha-monim-pirenena kosa no hamaranako ny androany. Resaka momba ny harena an-kibon'ny tany, anaovana tolo-bidy iraisam-pirenena manko ny tahirim-by any amin'ny faritry Soalala, ka raha ny fijerin-dry zareo (Conecs, Sefafi, Fedmines, CDE, Kmf/Cnoe) azy dia azo tombanana ho mitovy amin'ny fampiasam-bola any Ambatovy sy Faradofay ny fampiasam-bola hitrandrahana an'i Soalala. Heverin-dry zareo fa noho ny krizy mihatra dia tsy fotoanan'ny fanaovana tolobidy mihitsy izao fa tokony ahemotra ny fanokafana ny tolo-bidy (izay tokony ho vita ny 18 novambra 2008 lasa teo raha araka ny fanambarana) satria matahotra hampiasa vola ny olona amin'izao fotoana izao, noho izany ahiana hivadika ho varoboba ilay tolobidy.
Manaraka izany ihany koa dia angatahin'izy ireo mba haka tahaka an'i Ginea, RDC ary Niger i Madagasikara ny hamerenana ny fandinihana ny fifanarahana amin'ireo orinasa iraisam-pirenena (Eto dia ny Sheritt sy ny QMM) satria varodraikiraiky no nifanaovana tamin'izy ireo ka matiantoka tanteraka isika. Dia hoy ny eritreritro hoe nahay nihetsika ny mpandraharaha ka toa hita hoe aiza ny fahalemen'ny filoha ary dia izay no mahatonga azy manome baiko ny Praiminisitra amin'ny hametrahana ny lasitra sy ny lalàna momba ny antoko politika (izay tsy hitako intsony ny heriny amin'izao fotoana izao) ho fanodinan-dresaka sy olana aloha!
Ho fanombohana aloha dia mitohy toy ny tsy manam-pitsaharana fa mirotsaka isan'andro ny orana eto Antananarivo. Tsy misaraka amin'ny elo sy ny akanjo aro orana izany izay manana izany, fa ny matanjaka sy izay tsy mahatakatra kosa mionona amin'ny akanjo fitondrany mandrakariva.
Manaraka izany, nametraka ekipa vaovao fanta-daza indray Atoa Andry Rajoelina Ben'ny tanànan'Antananarivo. Niditra ho ekipany koa manko Atoa Ny Hasina Andriamanjato sy Rtoa Elia Ravelomanantsoa. Nahay nisafidy kosa ny lehilahy tamin'ity indray mitoraka ity satria olona mahalala tsara ny atao hoe fitantanana ireo olona nosafidiany ireo. Azoko lazaina fa tokony ho tsara aro amin'ny asa ataony i Andry TGV nisafidy ireo olona ireo.
Dieny mbola tadidy, ataoko fa manana fifandraisana amin'ny mpitantana ny madarail ity ekipan'i Andry TGV ity satria vao lany kelikely izy dia nampitsangatsangana ny ankizy tamin'ny masinina izay tsy mbola nitaingina izany hatrizay niainany. Ankehitriny, re siosio ny amin'ny hanitarana iny lalana manamorona ny fefin'i madarail eny Tsaralalàna iny (petite vitesse). Ravana ny fefy ary ahemotra mihitsy mba hahazaka fiara efatra miara-milahatra. Heveriko fa anisan'ny hevitra tsara dia tsara izany raha tontosa satria tena mampijaly ny mpandeha mihitsy iny lalana iny. Ny tena olana anie dia ny fiara mijanona anaty arabe ka tokana sisa no ahafaha-mizotra e! Fa na izany aza efa tena misy tsirin-kevitra mahafinaritra aloha izay.
Ny lesoka amin'izao fotoana izao aloha dia ny fako izay miely loatra indray fa toa hoe tsy misy mpaka hoe. Ny lesoka faharoa kosa hitako tamin'ny vohikalan'ny tanàna ny fihofahofan'ny saina USA nefa tsy nahitako ny saina Malagasy etsy ankilany. Tena hentitra aho amin'io lafiny io ka nahatonga ahy hanoratra hoe hanonofy inona tamin'ny alina nahalanian'i Obama iny.
Hiditra amin'ity resaka Daewoo ity amin'izay aho, raha nahavaky azy voalohany aho dia tsy nino. Nilazana aho fa gazety matotra anie izany Financial Times izany. Eny, hoy aho, fa ny tao an-tsaiko dia ny nanjò ny Serba ka nahatonga io Kôsôvô io hahaleo tena. Ny Mpanao gazety tandrefana no tena nampiely azy voalohany ary nitongilana avy hatrany tamin'ny Albaney: mody niainga tamin'ny hoe Kôsôvara miteny Albaney aloha ary etsy ankilan'izany ny Serba lazaina hoe Serban'ny Kôsôvô. Mametraka avy hatrany izay filaza izay fa ny Serba dia vahiny -nanjanaka- fa ny tena Kôsôvara dia ireo miteny albaney. Aty aoriana dia nekena ihany, rehefa tsy taitra intsony ny mpanara-baovao, fa Albaney hay ireo nolazaina fa Kôsôvara tamin'ny voalohany ireo. Fiadiana nahery vaika nenti-nanosoram-potaka ny Serba na taiza na taiza ny Haino aman-jery Tandrefana tamin'ireny fotoana ireny. Tranga iray nahataitra ahy tamin'izany ny nilazana fa nodarohana baomba ny fiara fitaterana feno ankizy Miozolmana ka ny Serba no nidaroka baomba io fiara io. Rehefa natao anefa ny fandevenana ireo ankizy ireo dia fasana misy lakroa ôrtôdôksa no nandevenana ny ankizy tondroina eo amin'ny filazana fa Miozolmana. Misy lainga izy izany, hoy aho nahatsikaritra.
Toy izany ihany koa ity resaka Daewoo ity araka ny eritreritro, tafiditry ny mpikarama an'ady indray ny mpanao gazety tandrefana (mba tsy hanamelohako befahatany ny haino aman-jery tandrefana). Ny tena nampahomby ny lainga, araka ny fijeriko azy tsy maintsy misy ampahany marina ihany ny vaovao. Ny ampahany marina dia nihaona tamin'ny filoha Ravalomanana tokoa ny mpitantana ny Daewoo, ary ny tatitra nataon'ny tvm (sa mbs?) tamin'iny volana oktobra iny na fiandohan'ity volana novambra ity dia fifanarahana eo amin'ny fitrandrahana Oraniôma no notadiavina. Tsy nisy ny resaka fanofana tany henoko aloha tamin'io fotoana io. Heveriko fa nisy nialona ny Koreana tamin'ity lafiny iray ity raha io no itabatabana satria ity vaovao momba nyangovo iray ity mihitsy no tena kendreny ravana araka izay azony atao. Izay araka ny hevitro no nanaovana ilay vaovao "lainga" sady fihantsiana hoe "fanjanahantany vaovao". Fantatry ny mpanara-baovao eto an-toerana manko fa misy io fitadiavam-piaraha-miasa hitrandraka oraniôma io. Hatramin'izao aloha dia tena tsoriko fa tsy mino ny fisian'ilay fifanarahana fanofana maimai-poana ny tany aho. Fandranitana ranofotsiny io amiko hamelezana izy fifanarahana momba ny Oraniôma mety mbola tsy renareo any ivelany mba hahatonga ilay fitenenana hoe indray fa mbola koreana ihany.
Ny tena mahavariana amin'ity lafiny ity dia izao, toa tsy nisy ny nihorakoraka raha lasan'ny Frantsay (amin'ny alalan'ny total) ny ampaham-bola betsaka amin'ny fitrandrahana an'i Bemolanga izay solika kosa no trandrahana any. Raha tsy diso aho dia maro ny orinasa vahiny (izay Eoropeana tandrefana sy Amerikana Tavaratra no mahazo ny ampahany be raha tsy izy manontolo) mifampizara amin'ny fitrandrahana ny harena an-kibon'ny tany (solika no tena fantatro) manerana ny faritra andrefan'i Madagasikara tsy nisy ny nimenomenona (tena tsy faly kosa aho aloha tamin'izany saingy nangina, toetra gasy, sady fantatra fa tsy hahatrandraka samirery izany mihitsy ny Malagasy) koa tsy hitako intsony izay himenomenonana raha mba mahazo zaratany hitrandrahana ihany koa ny Koreana Tatsimo, tsy milaza velively izany soratro izany fa ankasitrahako ny fitrandrahana ataon'ny vahiny ny harena an-kibon'ny tany Malagasy. Tena mpitaky ny fiandrianam-pirenena madiorano amin'ity harena ankibon'ny tany ity aho fa tsy izaho moa no mitondra.
Fehiny, misy tombotsoa vahiny ninia nanaparitaka ity vaovao ity satria tsy azony ny tsena ary heveriny fa tokony ho izy no mitantana ny fitrandrahana ilay Oraniôma dia alainy baraka aloha ny mpifaninana aminy ary tifiriny ankolaka ihany koa ny mpitondra Malagasy. Tsaroako fa voalaza tamin'ny gazety lakroa ity na dia tamin'ny andron'ny sivana aza (repoblika faharoa). Nilaza fa hamantatra raha misy solika tamin'iny faritra avaratra andrefana iny ny Amerikana. Naka mpiasa malagasy izy hiasa ho azy amin'ny fikarohana izay mety ho fisian'ny solika. Rehefa somary tafatsoropaka anaty tany lalindalina tany anefa ilay fitaovam-pamantarana dia niato kely ny asa. Nasaina namonjy vady aman-janaka hiala sasatra vetivety ireo mpiasa malagasy. Nandritra izany anefa dia nanohy asa ihany ireo Amerikana ka rehefa azony izay nilainy dia nolaloriny simenitra ilay lavaka nohadiana. Nilaza ry zareo fa diso satria tsy nisy solika hay ilay toerana ka aleony mody satria tsy manan-kantenaina. Ireo mpiasa Malagasy nilaozana kosa nangaihay sady nahatsapa tany anatiny tany fa tsy solitany no nanakaramana azy ireo fa mety ho Oraniôma. Azony izay notadiaviny dia iny ny Amerikana fa nikopak'elatra. Tsiaroko amin'ny maha-mpamaky gazety malagasy ahy izay. Na iza na iza rehefa manao zavatra izy indrindra fa fandraharahana dia ny tombotsoany no tena katsahiny koa asakasak'izay tsy hiaro no rambony aloha!
Fanampiny: Efa nolazaiko fa tsy maintsy misy ny zavatra marina kely (na dia anaran'olona fotsiny aza) soratana mba hahombiazan'ny lainga. Nitsidika ny filoha Ravalomanana, araka ny nolazain'ny Madagascar Tribune tamin'ny faran'ny volana oktobra,ny delegasiona mpandraharaha Koreana Tatsimo notarihin'ny filohan'ny Orinasa Daewoo Madagascar, Kim Kwon Lin, niaraka tamin'ny PDG Kores Resources Corporation, Kim Sihng Jong, ary ny solontenan'ny Daewoo Logistics Corporation, Yong Nam Ahn, ary koa ny filoha lefitry ny orinasa Posco EC, Jeong Tae Hyun, izay nitatitra tamin'ny Filoham-pirenena ny fandroson'ny asa ampiasany vola eto Madagasikara. Araka ny loharano ofisialy moa dia mampiasa vola any amin'ny sehatry ny fananantany, harena ankibon'ny tany ary ny fitrandrahana Nickel any Ambatovy, ary koa eo amin'ny sehatry ny fiompiana sy ny fambolena ireo mpandraharaha ireo. Mikasa ny hiditra lalindalina kokoa amin'ny sehatra efa nidirany ry zareo. Na dia manana ny hevitro aza aho, ataoko fa azonareo tsara ny mamakafaka ny toe-java-misy avy amin'io fanampiny nosoratako io.
Elaela zareo izay tsy nanoratako taminareo izay. Tsy salamalama noho ny havizanana manko ny havanareo na vizana ka maneho endrika tsy salamalama, tsy fantatro intsony izay tokony hanoratako azy e! fa dia naninona indray ary no natomboka tamin'ny taratasin-dainga indray ity raharaha ity?
Voalohany ankoatra ilay tsy fahasalamana teo ary dia lany ny fahana moov tamin'ny endriny teo aloha. Manana sanda vaovao indray manko ny fahana moov amin'izao fotoana izao. Fahana moov vaovao izay lany hery indray amin'ny 31 oktobra 2009 ho avy izao tahaka ilay fahana moov teo aloha izay lany hery tamin'ny 31 oktobra 2008 lasa teo. Inona ay ny fiovana misy?
Hita avy hatrany aloha ny faharetan'ny fahana tsirairay avy, voasoratra tamin'ny fahana taloha ohatra fa raha 2 ora sy fahefany no faharetan'ny fahana 5000 ariary dia amin'ny ora vitsy mpampiasa ihany izy sisa rehefa taty aoriandriana fa tsy fantatro mihitsy kosa ny faharetany amin'ny ora mahabe mpampiasa ny serasera. Ankehitriny roa ora sisa no zakany ho an'ny fixe sy ny adsl fa ora iray ihany ho an'ny moov 3G+ ka tsy misy fiovany izy amin'ity sokajy voatonona farany ity.
Dia toy izany ihany koa, lasa 4 ora sisa no zakan'ny 10 000ar nahazo 5 ora teo aloha ary 8 ora sisa no zakan'ny 20 000ar teo aloha izay nahazaka 11 ora teo aloha. Marihiko etoana fa mpampiasa ny aterineto amin'ny fotoana mahavitsy mpampiasa azy aho ka tena niainako tokoa ilay 11 ora nahafapo ahy mandritra ny iray volana teo aloha. Noho izany hatreto izany raha tohizako toy ny taloha ny fanaoko dia lasa mahalany latsaky ny 30 000ar isambolana izany ilay 20 000ar fandaniko teo aloha. Misondrotra 10 000ar latsaka izany ny fandaniako tao anatin'ny ora mitovy izany hoe misondrotra be amiko izany ny vidin-tserasera ataoko. Lasa ny saiko, arakaraky ny itabatabana fa ho avy ity hazondamosin-tserasera hanamora ny fifandraisana ity (backbone) no miakatra ny vidiny e! sa izaho no tsy nahazo resaka tsara? tsy tokony hihamora kokoa aza ve? tratran'ny lainga aho izany na izaho ihany no nampandainga ny tenako. Iray izay.
Manaraka izany, pack telma moa no ampiasaiko nefa ao amin'ny lafiny teknika dia nampidirina tao anatin'ny sokajin'ny moov3G+ io pack telma io. Lafiny teknika ihany ve izay sa lasa manaraka ny fepetran'ny 3G+ amin'ny vidiny ihany koa ny pack telma (izany hoe 4 ora no zakan'ny 20 000ar novidiako)? enga anie mba ho ahiahy tsy mitombina ny ahy fa raha tsy izany dia nisondrotra avo roa heny izany ity tantara ity.
Resaka hafa indray, tsy nisy antso avy amin'ny mpihaino ny fandaharana kidaona maraina androany (19 novambra) noho ny lafiny teknika hoy ny mpanentana. Aiza kosa? sao dia miahiahy hafanan'ny toe-draharaha noho ny fanalana amin'ny asany ireo mpiasan'ny antenimiera kosa ianareo dia mody hoe... satria mankaleo anareo ny antsoin'ny fampanoavana mpanao fanadihadiana lava. Tsy maintsy misy manko ny mpampirisika sy ny mpampiady angely amin'ny antso sahala amin'ireny. Tsy aleo ve ampidinim-peo tahaka ny fanao teo aloha izay mitady hafanafana fo ankoatra ny efa hakana ny anaran'ny mpiantso sy ny laharam-piantsoany?
Faramparanana ny androany fa sao lava loatra, mbola miziriziry tsy midina hatrany ny vidin-tsolika eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Ny filazan'ny mpaninjara moa dia hoe tsy mbola lany ny tahirin-tsolika tamin'ny vidiny mbola lafo be ireny. Mampieritreritra sahala ny hoe natao hanangonany betsaka araka izay azo natao tamin'ireny nahalafo be azy ireny. Fantany manko fa tsy hihetsika ny Malagasy dia manararaotra ry zareo ary raha avy ny fahatezerana ka mamotika sanatria ny olona dia hirangaranga ao anatin'izany fa tsy ho azo anaovana fandraharahana velively eto Madagasiakara. Ny vahiny tokoa no mifehy ny toe-karena eto Madagasikara ka sintonina aloha ny tombondahin'ny tombombarotra (tombombarotra ankoatra ny tombombarotra novinavinaina). Izao koa no vokany rehefa tsy mandray ny tokony ho andraikiny ny fanjakana ary tsy nampianarina handray ny andraikitra tokony hoataony ny olom-pirenena. Ny fihetsiketsehana anie tsy voatery ho fanozongozonam-panjakana na fanonganam-panjakana e! saingy izanyhatrany moa nomasaka na ho an'ny maro amin'ny vahoaka na ho an'ny mpitondra mifandimby dia tailantailana hafahafa izany ilay toe-draharaha.
Androany Sabotsy nanomboka tamin'ny enina ora maraina ka hatramin'ny enina ora hariva dia fotoana manokana ho an'ny mpanjifan'ny zain eto Madagasikara. Nanao ny dokambarotra hoe zain voky manko ry zareo ka ny natao tamin'izany dia niantso ny 636 (antso ifidianana ny sara tiana handaniana ny fahana) ka anesorana 2000ar ny fahana anananao fa afaka miantso izay tianao antsoina ao anatin'io ora io ianao.
Teny antenantenam-potoana ary dia ninia niantso zain iray aho fa tena hika tanteraka ny tambajotra. (le reseau est saturé). Izany hoe nanararaotra nampiasa ny zain voky avokoa ny maro amin'ny mpanjifany mba hiresahana amin'izay tian-kiresahana nefa Ar 2000 monja no esorina aminao. Ny fahavoazana fotsiny raha toa ka efa nanala ny Ar 2000 ianao nefa tsy tafiditra amin'ny tambajotra mihitsy dia fatiantoka ho anao izay.
Na dia nahita ity tolotra ity aza moa aho dia tsy nanao azy satria fantatra ihany ny Malagasy fa ho roboka avokoa. Ahatsiarovana ny madacom razamben'ny zain nanomboka tamin'ny iray maraina ka hatramin'ny 4 maraina nefa vola kely ihany no aloa izy ity. Ny mahavariana ahy sy tadidiko... tsy mbola sahy nanao tolotra tahaka izao mihitsy ny france telecom (Orange) hatramin'izay teto Madagasikara. Ny any aminareo aloha no tsy fantatro e!
Dia variana tokoa aho amin'ny fahaizan'ny olona mitady vola. Misy ny tena henjana araka ny filaza. Efa lany tanteraka ny vola nanamboarana ny tsenan'Asabotsy io araka ny fahalalako azy na tsy nomena intsony noho ny fitantanana tsy mazava loatra. Dia tavela teo ny fanamboarana ny tsena ary efa nieritreritra aho fa tsy ho vita intsony izy io na dia ao anatin'ny 20 taona ho avy aza. Tsy nisy na dia iray aza ny fitaovana hanamboatra ny tsena. Kanjo ankehitriny dia re fa nahazo famatsiambola $2 000 000 indray ny fanamboarana ny tsenan'Asabotsy. Ary heverina fa ho vita amin'ny marsa 2009 amin'izay ny tsena.
Ny faniriana moa tsy hisy intsony ny simenitra sy vy ary vato may ka tsy nahavitana intsony ny tsena teo aloha. Fa mbola tsy azoko hatramin'izao ny nahatonga ireo zavatra ireo ho may tao amin'ny fitehirizan'entan'ny Kaominina Antsirabe renivohitra nefa moa TIM no mpitantana koa zanak'i dada izany tsy miahiahy loatra ny hahazo olana ry zareo fa raha misy izany metyholasa any andafy tahaka ilay mpitantana tany Mahajanga ihany koa. Fa dia tena rediredy koa anie ny ahy izany fa ny hamisaisana ny ratsy hiavian'ny soa e!
Dia mba hahazo toerana amin'izay ny mpivarotra fa mijaly loatra.
Amin'izao fotoana izao dia manana tolotra vaovao indray ny dts amin'ilay hoe moov yes. Araka ny haitao adsl araka ny filazany moa io tolotra io ka 200Mo ny vesatra ambony indrindra zakan'ny 49 000Ar. Mifanaraka amin'izany anefa dia tsy ahitana fahana intsony eny amin'ny fivarotana mahazatra amin'izao fotoana izao. Na dia efa nandalo tao amin'ny masoivoho tetsy Analakely aza aho dia mbola tsy nahazo fahafaham-po fa ny valiny dia hoe tokony hisy tonga androany fa mbola tsy hita. Tamin'ny herinandro io fandalovako tao io. Mikatso tanteraka izany ny zavatra ataoko amin'izao fotoana izao mandrapahazoako fahana vaovao. Nisy fetr'andro tokoa manko ny fahana teo aloha ka amin'ity volana ity no azo ampidirana azy farany. Dia miandry ny sitrapony izany izahay efa nifidy azy aloha.
Raha nanana ny lazany ka nandraisan'ny fitondram-panjakana fanapahan-kevitra ny hampitsaharana hatreo ny fanondranana vato, indrindra ny vatosoa dia tsy mampihena velively ny fandraharahana amin'ity sehatra ity izany. Mody nampandriana adrisa ny rehetra tamin'ny lahatsoratra an-gazety fa manomboka miala amin'ity sehatra ity izay zatra izany teo aloha satria tsy afa-manondrana intsony nefa tsy nisy kelimaso nody tany amin'ny taniny velively teo.Toa vao maika aza miroborobo ny varotra.
Raha eo amin'ny resaka vatosoa manko dia eto 67ha indray no karazana Ilakaka (tsy mbola nahita ilakaka mivantana aho) vaovao eo amin'ny fandraharahana. Ny any Ilakaka resaka safira fotsiny fa ny eto kosa rehefa vatosoa mandeha daholo. Mahavariana fa kelimaso daholo ireto mpividy vato eto amin'ny tanàna ireto. Mampieritreritra hoe sao dia ity indray ary no fifanarahana miafina teo amin'ny Malagasy sy ny Shinoa amin'ny fananganana ireo Hotely ny trano ho an'ny filoham-panjakana hivory eto Madagasikara amin'ny herintaona? Ahiahy io fa tsy hoe ny marina tsy akory fa zarako aza diso hevitra aho ny amin'izay.
Eto amin'ny manodidina ahy manko raha misy elanelana mifanalavitra indrindra amin'ireto mpividy vato ireto dia 100 metatra ihany. Mety ho azo eritreretina ihany ny hoe mifaninana izy ireto raha hividy nefa mahita tsara aho fa dia mifampiresaka sy mifampitsiditsidika izy rehetra; mety hoe mifampitsilo nefa manahy aho fa toa iray ihany ny lehiben'izy rehetra.
Manaraka izany, mahita tsara aho fa tena be tokoa ny mivezivezy mivarotra izay hitany ny Malagasy mitondra ny entany any amin'ireny Kelimaso ireny ka raha tombanana efa tokony ho hipoka tanteraka ny tranon-dry zalahy mpividy ireto nefa dia toa mahita toerana ametrahana ny entana tonga hatrany ry zalahy. Mazava loatra fa misy ny foiben-toerana andefasany izay entana azony. Tsy anjarako, sady tsy manam-potoana amin'izany aho, ny mijery ny lalana alehany rehefa miala eto 67ha fa ny mahalasa saina ahy dia hoe tsy mba tsikaritry ny minisiteran'ny harena an-kibon'ny tany mihitsy ve fa eto daholo no ivantanan'ny entana entin'ny malagasy ho an'ny Shinoa ary hatreto indray ny entana no miainga ho amin'ny sehatra avoavo kokoa? Raha tiana ny hifehezana ity sehatra ity, moa tsy eto ve no arahi-maso voalohany, afa-tsy hoe efa nisy ho'aho ny fifanarahana teo amin'ny fitondram-panjakana malagasy sy shinoa?
Hamaranana: ahoana moa ny anton'ny lohateny? Androany sabotsy dia ilaharana indray ny mitondra vato na aiza io na aiza amin'ireo kelimaso mpividy vato ireo. Izay no ahitana taratra fa mijery andro ny ankamaroany raha tsy izy rehetra, omaly anefa dia mipetrapetraka sy miresadresaka niaraka avokoa ireo mpividy vato ireo. Fa ilay vatobe iray nanalana tanteraka vavahady vy hampidirana azy izay no tsy matiko lolo. Ngeza izany raha vato! dimy lahy ry zalahy no manakorisa azy amin'ny kodiarana fa mila tsy hahakisaka. Hita ho nolokoina maitso ilay ato nefa tena madio dia madio ahiako ho vato lafovidy hafa ilay izy afa-tsy hoe vato efa namboarina (izany hoe efa maty hasina indray). Tsy azo heverina anefa izany satria mailo dia mailo ireto Shinoa ireto rehefa hividy. Matoa novidiany dia fantany ny lanjany sy ny sandany. Tsy mety fay mihitsy aho izany mitantara nefa mety ho ny aina mihitsy no manefa raha mbola be tantara eo! Sa izay tokoa ilay hoe maharesaka?
Manonjanonja moa ny toe-draharaha amin'izao fotoana izao ka mandeha daholo amin'izay ny paik'ady rehetra. Tamin'iny hernandro iny no nisy do-tandroka nilazana fa mety hiala Ben'ny tanàna i Andry Rajoelina. Tsy naheno izany filazana izany mihitsy aho aloha satria tsy maharaka gazety loatra rehefa dinihina. Dia nanambara moa ny Ben-ny tanàna fa hamita hatramin'ny farany ny fe-potoana iasany izy. Dia asa raha raha ao anaty paik'ady amin'izao fotoana izao ihany koa ny filazana etsy sy eroa fa hamidin-dRavalomanana ny tiko (ilay mpanao ny yoghurt, ronono ary fromage). Tsy ialany ny menaka sy ny vary, tazoniny ny magro sy ny mbs fa ilay tiko ihany no alefany.
Aminao ary: azo inoana ve izany mety ialan-dRavalomanana amin'ny tiko izany?
Ekeko tokoa fa tsy dia tiako loatra ny loko sy ny mariky ny Zain fa raha ny tanjaka kosa dia tena manana izy araka ny fijeriko. Teny andalam-pivezivezena manko aho dia ninia nampitaha ny Zain sy ny Orange eo amin'ny fahazoana miserasera eny an-dalana eny. Efa reko ihany fa tsy misy fahatapahana mihitsy ny fahazoana miserasera Zain amin'ny lalam-pirenena faharoa. Dia nohamariniko kosa ny lalam-pirenena fahafito Antananarivo hatreo Antsirabe. Raha tsy tapaka mihitsy ny reseau ho an'ny Zain afa-tsy tamina faritra iray izay ihany dia zara raha manana ny reseau-ny kosa ny an'ny Orange.
Nojereko indray ny fifandraisana eo amin'ny roa tonta tamin'iny lalam-pirenena fahaefatra mampitohy an'i Mahajanga sy Antananarivo iny dia toraka izany hatrany. Vitsy loatra ny faritra ahafahana mifandray amin'ny alalan'ny orange nefa ny an'ny Zain dia betsaka tokoa no ahafahana mifandray aminy na dia misy toerana vitsy aza tsy ahazoana azy. Marihina fa tsy manana ny tambazotra telma aho ka tsy fantatro mihitsy ny azy. Raha amin'ny lalam-pirenena izany dia matanjaka kokoa ny Zain miohatra amin'i Orange. Fampitahana tsotra ny ahy fa tsy nisy nanakarama aho.
Mbola te-hiresaka ny amin'ity vatosoa ity ndray aho hatramin'ny niverenan'ity resaka ity ho adihevitra indray mandeha raha nanakana araka izay azony nataony ny fivarotana ilay emeraoda lehibe sy mavesatra indrindra manerantany avy eto Madagasikara efa nantsoin'ny tompony hoe Fanomezan'ny Lanitra aho.
Ekena fa miady mafy tokoa ny fitondram-panjakana malagasy mba hahazoana indray ilay vato lehibe Fanomezan'ny Lanitra sy hamerenana ihany koa ny fitsarana. Matoa tsy navela hivoaka ny firenena ny vadin'i Jeannot Le Quartz araka ny fahalalana azy dia mbola te-hanadihady ny ataon'ny orinasany sy izay rehetra tsy mety (fandikan-dalàna) nataony. Mandringa anefa ny fanadihadiana raha tsy fotorina ihany koa ny tany amin'izay nanome alalana ny fanomezana iny vato iny. Ny filazana moa no nanamarika fa sampan-draharahan'ny fari-piadidiana no nanome alalana.
Nafindra toerana (ho lasa depiote) ny Minisitra niandraikitra ny harena ankibon'ny tany tamin'ny herintaona nipoahan'ity raharaha ity. Nefa toa tsy mahakasika akory izay fahefana, na tsy mahalala ny hasarobidin'ny zavatra navelany hivoaka izay sarotra inoana satria asany io ka mametraka ahy hiahiahy fa mpiray tsikombakomba, nahazo vola be, tamin'ny famoahana an'i Fanomezan'ny Lanitra. Niniana tsy nolazaina ihany koa ny tatitra nataon'ny delegasiona nolazaina fa hanadihady momba an'i Fanomezana'ny Lanitra fony mbola tao La Reunion ka nahatonga ny maro hieritreritra fa nandray tsolotra ihany koa ireo delegasioona nalefa tany ireo, tsy mahalala izay tena zavanisy tany anefa isika.
Nandeha tamin'ny fitsarana (Firantsay) ny raharaha izay nitorian'ny fitondram-panjakana Malagasy fa nanao filazana tsy marina momba an'i Fanomezan'ny Lanitra ireo namoaka azy. Berila manko no anarana nivoahany, izay lazaina fa latsa-bidy kokoa, ary izay no fiarovantena nataon'ny notoriana satria fianakaviam-baton'ny berila ny emeraoda, nefa rehefa ivelan'ny fitsarana tabatabainy fa emeraoda io vato io. Izany tokoa angaha no atao hoe endrim-pitsarana Mahaleo tena Firantsay ka ny anarana hoe Berila dia tsy diso na ireharehan'ny lasa tompony fa emeraoda aza io. Izany rafi-pitsarana izany anefa no tahafintsika Malagasy, ka tsy mahagaga hoy aho raha avandravandrany ny filazana hoe ny marina mitavozavoza tsy maharesy ny lainga tsara lahatra. Ny mahalala kely ny amin'ny vato no milaza fa na atao hoe fianakaviana iray aza ny berila sy ny emeraoda (na dia ny anaran-tsamihafa aza dia tokony hampieritreritra) dia samihafa mihitsy ny taharon'ireo karazam-bato ireo.
Tsy maintsy mba liana kely ny momba ny vato ny tena ka nikaroka izay mombamomba azy tamin'ny aterineto (Gemmologie sy Gemmology) ary dia nahita tao amin'ny tranonkala iray fa rehefa vato (Gemme) dia vato. Tsy misy intsony antsoina hoe "pierre preciuese" na "pierre decorative" fa tokony hanana ny sandany avokoa ireo. Dia hoy aho hoe, izay ihany koa no nanambakana antsika hatry ny ela ary fototry ny fanondranana tsy nahazoan'ny fanjakana vola ny harena ankibon'ny tany teto amin'ny tanàna. Asa nahatsikaritra io ihany koa angaha ny tao amin'ny fitondram-panjakana ka nahatonga azy handray ny fahapahan-kevitra hampitsahatra hatreo, aloha, ny fanondranana ny vato rehetra. Soro-baton'ilay jamba ity ka voa vao mihilana!
Efa nanoratra aho fa raha nisy dia nisy dia enina ora no nianarana ny momba ny vato nandritra ny fotoana nianarako hatramin'ny fahazaza ka hatramin'ny ambaratonga ambony. Nitodika ny lasa ka nahatsiaro ny resaky ny olona fa ampihimamban'ny mpitondra taloha ity harena ankibon'ny tany ity. Nisy indray maka voromby nianjera tao Afirika tao. Nojerena ilay voromby ary tsikaritra fa feno vatosoa tao anatiny tao. Tonga dia nandeha ny tombana fa nitondra vesatra (asa teny hafahafa hoan'ny sasany ihany koa ve ny vesatra?) mihoatra noho izay zakany ilay voromby ka izany no nampianjera azy. Avy taty Madagasikara na nandalo taty Madagasikara io voromby io ary tsy nisy nitaky ho tompony ny vatosoa hita tao. Nisy ihany koa nahasahy nilaza fa orinasana mpitondra fanjakana teto madagasikara na niara-niasa akaiky dia akaiky no tompon'ity orinasa MATY ity, resaka vatosoa aloha no ataony ary tsy takona afenina intsony fa malaza amin'ny resaka vatosoa izao i Madagasikara ka izay ihany ny fifandraisana azoko raisina.
Koa raha ampihimamban'ny mpitondra ny resaka vato tsy mahagaga raha tsy hampianatra ny momba ny vato eto Madagasikara mihitsy izy satria toy ny miantso mpifaninana aminy. Resaka mody aderadera ihany koa amiko ny filazana nataon'ny gazety iray omaly milaza ny fikatonan'ny toerana fihadiana vato noho ny fitodihan'ny mason'ny maro aminy ankehitriny sy hanafenana ny tsy ara-dalàna maro efa vita fa rehefa miverina eo angamba ny fanondranana roboka daholo ihany ny rehetra, ary ireo Shinoa mpividy vato etsy ampita koa mbola mividy vato amin'izay mitondra ao aminy... avela ho tsenan'ny aziatika samirery foana koa ve izy ity e?
Neritreritra lalina ny amin'ny fampianarana ho teny malagasy na ho teny firantsay ny zaza malagasy aho dia nahita ny tsoa-kevitra fa tsy any amin'ny teny ampianarana ny zaza velively ny olana fa any amin'ny zavatra ampianarina ny zaza Malagasy.
Fifaliana sy reharehantsika hatramin'izay ny fananana zanaka tafita amin'ny fianarana na lasa ambonimbony ihany vao mijanona nefa ny tontolon'ny asa miandry azy mampahonena. Dia raikitra amin'izay ny fiampangana ny teny ampianarana ho fototry ny olana. Dia lazaina fa hafa ny fampianarana taloha hoy ny ray aman-dreny efa antitra amin'izao fotoana izao. Ny tena maridrefy nitsapana ny fahaizana anefa tamin'izany fotoana izany dia ny fahaizana teny firantsay. Ny vitsy anisa toa anay indray dia mikikitra mafy fa nanana izay fahaizanay ihany koa izahay na dia ambanimbaniana fatratra aza ny fampianarana tamin'ny teny malagasy tamin'ny androny ary na dia tsy nety resy lahatra ihany koa aza ny mpampianatra anay tamin'izany fotoana izany.
Rehefa nifandrombahana ny ho mpiasam-panjakana ambony na ho mpifehy sy mpitantana amin'ny orinasa dia izay tena havanana amin'ny teny firantsay tokoa sy izay efa manana mpanohana mialoha. Ankehitriny aza dia mbola ampanofinofisana ny ampitsangatsangana any andafy ny mpianatra mpanala fanadinana. Nefa bebe ihany araka ny hitako tamin'ny manodidina ahy no manana izany baccalaureat nefa dia "agent de securité" sisa na "planton" no sahaza azy any amin'ny ankamaroan'ny orinasa. Dia inona izany no mahasamihafa ny nianatra sy ny tsy nianatra?
Zavatra iray nahatalanjona ny saiko mandraka ity androany ny hitako eto amin'ny tanàna misy ahy. Malaza amin'ny fisian'ny karazam-piaviana rehetra moa ny tanàna misy ahy. Ankehitriny dia feno karana sy vazaha ary indrindra indrindra ny shinoa sy ny kely maso eto amin'ny tanàna. Rehefa miresaka vazaha aloha dia tsy fantatra mihitsy izay fototr'asan-dry zalahy sy izay tena ataon-dry zalahy. Dia ny mitilitily vehivavy ihany no tena anton-dia nefa enga anie ho diso izany fanombanako izany. Rehefa miresaka karana indray dia tsy ilay mpivarotra entana Analakely tsy akory fa mpivarotra hanimasaka indray. Saiky izay daholo ny ataon-dry zalahy sy ry zavavy. Fa rehefa Shinoa indray na dia mijorojoro eo ambaravarana fotsny aza izy dia fividianam-bato avy hatrany no ao an-tsain'ny manodidina. Tsy misy soratra akory aza eo anoloan'ny trano fa mahita latabatra sy seza ary fandanjana fotsiny ianao dia fantatra avy hatrany fa hividy vato no ataony eo. Andro roa voalohany ihany izy no toa nijorojoro fa nanomboka ny andro fahatelo dia mitanjozotra avokoa ny gasy tsy ampoizina rehetra mitondra ny vatony. Izaho amin'io mivanàka fotsiny, misy aza ny fotoana fa mitety trano mihitsy na entin'ny mpanera ireo shinoa ireo hanao raharaham-bato aminy.
Teo aho dia nitodika tany amin'ny lasa indray ny saiko, Ilakaka no toa nahatongavana an-tsaina. Ilakaka manamorona ny lalam-pirenena izany hoe tena fandalovana tsy maintsy nisy fanamboaran-dalana... fa fandraofana vato nataon'ankizy no nahafantarana fa hay feno safira ity toerana ity. Dia tsy hitan'ny Firantsay tamin'ny nanamboarana ny lalana ve ny safira nikararana tamin'io toerana io? Sa tsy fantatry ny Firantsay ny lanjan'ny safira eo amin'ny tsena? Efa voatonona ao amin'ny baiboly hatry ny ela ny fisiany fa volamena ihany angamba no akora voajanahary fantatry ny Firantsay, dia izay ihany koa no niononantsika. Jerena fa feno vato i Madagasikara, vato be vidy. Iza no nahalala raha toa ka efa nandakandaka 10 000 000Ar teny an-dalana teny aho fa tsy nahalala ny sandan'ilay vato nodakadakana? Nefa iza no nampianatra antsika ny vato sy ny lanjany? raha nisy tamin'ny fotoana nianarako manontolo dia ora enina ihany angamba farafahabetsany. Ampy hahalalana inona moa izany?
Teo aho no lasa lavitra ny saiko: fa dia inona no tena nampianarina ahy sy nandaniako ny androm-pahazazana? Fianarana mba ho mpiasam-panjakana sa ho mpiasam-bazaha sa ho mpiasa fotsiny ihany? Firifiry ny olona no nahay tamin'ny fianarana nefa variana fa toa ny tsy nianatra indray no toa manam-bola sy nahay nihary kokoa noho izy ireny? Misy moa dia zavatra tsy mifandraika amin'ny fianarana norantovina mihitsy no natao rehefa miasa? Dia inona izany no mahasamihaf any nianatra sy ny tsy nianatra? Teo aho resy lahatra tanteraka fa ny zavatra nampianarina no tena olana fa tsy ny teny ampianarana velively! dia mbola hotohizana ve ny fampianarana ny taranja toa tsy misy ifandraisana amin'ny zavamisy Malagasy sy tena ampandrosoana an'i Madagasikara? Soratra nataotao foana tao anatin'ny 20 minitra ihany ity fa ho hita ihany izay fivoarany.
Asa ianareo raha mahatsikaritra fa mbola manan-tsanda ihany (izany hoe misy valerany e!) ihany ny vola sandoka eto Madagasikara ary mino aho fa mbola betsaka noho ny dôlara tena izy Zimbaboeana ny sandan'ny vola sandoka ariary Malagasy.
Izao manko, any ambanivohitra lavitra any no tena fanakalozan-dry zalahy vola ariary sandoka amin'ny vola tena izy, mahazo ny atsasaky ny tena sanda ny vola sandoka rehefa voatakalo any ary indraindray mahatratra ny sanda mitovy mihitsy rehefa amin'ilay harivariva mahafitaka ny tsy mitandrina iny, na amin'ny fotoana mampikoropaka ny mpivarotra iny.
Fa ny tena manome sanda ambony ny vola sandoka malagasy dia ny mpanao gazety malagasy ihany. Miala tsiny raha mamely fantsy ny mpanao gazety amin'ity indray mitoraka ity satria fanitsiana fahazaran-dratsy ihany ity. Rehefa tratra manko ireny mitondra sy mampiasa vola sandoka ireny ka mitatitra ny mpanao gazety malagasy dia ilay sanda sandoka (tsy izy akory) no tena abaribary, vola sandoka 1.000.000 ariary no tratra tany amin-dranona... Vola sandoka ve dia hanana sanda sady amin'izay 1.000.000 ariary be izao? Azo ividianana inona io vola sandoka lazaina fa 1.000.000 ariary io? Fahitalavitra sa solosaina? Mba eritrereto ihany.Efa nahagaga ahy hatry ny ela manko io fanomezana sanda vola sandoka eto Madagasikara io ary efa tiako ahitsy fa tsy tadidy hahatery ahy hanoratra raha tsy nahatsikaritra ny fitateran'ny vahiny ny vaovao rehefa nisy nahatrarana vola sandoka. Ilay noeritreretiko mihitsy manko no nilazany azy: Ravi-taratasy 1000 natao vola sandoka no tratra tany amin-dranona... ary tsy nilaza sanda mihitsy izy satria taratasy tsotra nanaovana hosoka ihany no sandany. Marina fa tsy mandeha ny tsena raha tsy misy ny fanaitairana kely nefa anisan'ny filazana lainga ihany amiko raha omena sanda tsy azy akory ny vola sandoka. Sa tsy mety ny eritreritro?
Resaka vola ihany isika eto ka manararaotra kely hilaza ny amin'ity resaka lazaina fa fananganana ny sampan-draharaha miady amin'ny famotsiambola notokanana omaly ity aho (Samifin). Ny rehetra kosa hatramin'ny fitondram-panjakana no toroako eto. Araka ny hita moa dia ny tranon'i Sophie Ratsiraka, na nipetrahan'ny fianakaviana Ratsiraka, tao Faravohitra no misy ity sampan-draharaha vaovao ity. Filazana tsotra ny ahy fa tsy fantatro manko io na an'ny fanjakana na efa novidian'ny fianakaviana Ratsiraka. Aleo an'ny mpanadihady katraka no manao izay hamantarana ny tena tompon'ny trano.
Araka ny fahalalako manko dia eto Madagasikara no be vola maloto indrindra manerantany ka mila diovina maika ary beazina hanaja ny vola tsy ho simba sy haloto ny Malagasy. Tokony hisy lalàna mipetraka manafay izay tratra mandoto sy manimba ny vola malagasy mihitsy aza. Tsy io resaka vola simba sy maloto io tsy akory no tsy tian-dRavalomanana Marc, Filoham-pirenena Malagasy, iadiana ny famotsiana azy fa vola tsara tarehy sy madio nefa lazaina ho maloto noho ny teny frantsay manambara azy ho "argent sale" ka ilaina atao "blanchiment". Hita kosa eto ny fahasamihafan'ny kolontsaina frantsay lasa tahafin'ny teny malagasy nefa tsy mifanaraka fisaina sy fitenenana ary mahazatra malagasy.
Raha ny fomba fiteny mahazatra ny manampahaizana sy ny manampahefana Malagasy manko heverina dia toa vao maika hampirisika sarambambe malagasy hanimba sy handoto ny vola malagasy ny fomba filazana azy amin'ny teny Malagasy. Raha ny tokony ho fiteny sy izarana ny Malagasy rehetra dia ny fitenenana azy ho toy ny hoe fampiverenana ny vola azo tamin'ny tsy rariny sy tsy ara-dalàna (rongony, fanerena olona hivarotena, fivarotana olona,fitaovam-piadiana...) ho amin'ny tsenam-bola manara-penitra amin'ny fomba hafa. Lava tena lava izany filazana izany, azo atao fifaninanana ny itadiavana ny teny sy fomba filaza fohy, nefa tsy maintsy atao mba tsy hampifandiso ny fisainan'ny be sy ny maro mety tsy hahatakatra ity fomba vaovao manerantany ity. Fa angaha ity vola malagasy ity tadiavina hitoetra eny an-tsena mandrakariva e!
Marina fa misy vitsivitsy ihany ny mpiara-miasa amiko namako no miasa ao amin'ny Jirama. Tsy mikendry azy ireny aho na hanafintohina azy ireny velively. Efa nambara ombieny ombieny fa nahantona ny fampakarana ny vidinjiro saiky natao na hatao. Gaga anefa aho fa nitombo be ihany ny vola naloako. Inona ny antony?
Iray volana izany no nandrenesantsika fa nisy fitokonana nataon'ireo mpandray ny marikisan' ny jiro sy ny rano any an-tokantranon'ny tsirairay avy any. Mazava loatra fa misy fihemorana ny andro mahazatra fandalovany any an-trano. Efa nanamarika sahady ny gazety fa ny mpampiasa ny jiro sy ny rano (tsy tokony hoe mpanjifa satria tsy maintsy ilaina izany jiro sy rano izany amiko sady orinasa tokana no misy eto) no ho matiantoka amin'izany fitokonan'ny mpiasa mandray marikisa izany. Tsy te-hino aho satria efa nisy fitokonana enimbolana teto Madagasikara... fa noezahin'ny jirama ny nandamina azy mba ho toy ny fandoan'ny olona isam-bolana ihany no aloan'ny tsirairay. Nihevitra aho fa noho ny fahatarana folo andro dia hojeren'ny jirama io olana mety hianjady amin'ny mpampiasa io sady vola rahateo no resaka. Kanjo, diso hevitra aho.
Nataony tany amin'ny vaniny (toy ny hoe vanim-pary no tiako ilazana ny tranche izay azo atao hoe silaka koa?) faharoa daholo ny fahataran'ny fahatongavan'ny mpandray marikisa. Tsy niraharaha ny mpiasan'ny jirama... tsy niraharaha ihany koa ny fitantanana tao amin'ny jirama. Mazava loatra fa na tsy niakatra aza ny vidin-jiro, ny fahatarana tsy avy amin'ny mpampiasa ny jiro sy ny rano kosa dia fanasaziana anay voatonona farany. Vola no tadiviin'ny jirama dia nahazo vola fanampiny izany izy. Ny ahy manokana dia nanakaiky ny avo roa heny tamin'izany fandoako isambolana tamin'ity taona ity no lasa aloako raha maherin'ny telo heny noho izay naloako tamin'ny herintaona katroka izany (jona 2007).
Lasa ny eritreritro manoloana io toe-javatra mihatra amiko io. Lasa mieritreritra resaka ambadika eo amin'ny olona vitsivitsy tao amin'ny fitananana ny jirama sy ireo mpitokona aho. Lasa manao hoe nisy ny nitarika ny mpiasa hitokona hahatara ny fandraisana isa any an-tokantrano ka hampitombo izany ary dia hitombo be ny vola aloan'ny tsirairay (io no tena tanjona) rehefa tsy asondrotra ihany ny vidin-jiro. Dia mody mifampizizo ihany ny tsirairay... Tena tsy misy fikambanana mpiaro ny olotsotra iharan'izao fanondrotana ankolaka izao ve? Izao raha tany amin'ny faharoapolo ny volana no fandalovan'ny mpandray marikisa lasa aty amin'ny fanombohan'ny volana ry zareo vao mandalo ao an-trano.Eee! aza mba voany tahaka izao ihany e! fanitombo be ihany ilay miandry amin'ny iray volana nefa aho tsy mba nampiasa solosaina loatra nandritra iny volana lasa iny a! sa nandeha foana moa ny televiziona tao an-trano?
Loharanombaovao iray no nandrenesana fa telo volana izay ny Banky Foiben'i Madagasikara no tsy namoaka vola dimanjato ariary intsony. Na dia hoe faraparany aza voa nampiasaina izy dia hita ihany ny ilaàna azy amin'ny fifanakalozana sy ny varotra. Ao amin'ny fiangonana falehako matetika dia misy olona mpanolotena manakalo vola ratsy avy amin'ny olona soloina vaovao hahatsara endrika ny vola atao rakitra angaha fa tsy nahita dimanjato ariary teo ihany koa aho. Lasa ho azy ny saina eo anatrehan'io toe-javatra io. Izany hoe azo heverina fa ho ratsy endrika avokoa ny ravimbola dimanjato ariary afaka kelikely monja noho ny tsy fahaizan-dRamalagasy mikojakoja vola.
Ny ahiahy dia miantefa tamin'ny nanovana ny franc ho ariary. Mody narona tany amin'ny hoe anaram-bola malagasy ny sain'ny olona, hay izy ity hihena be dia be ny sandam-bola.Ilay sanda tamin'ny franc taloha iny no toy ny soloina ariary fotsiny eny amin'ny farany dia mitovy anie izany e! Izao indray manahy aho fandrao mampiakatra ankolaka ny vidin-javatra ity toe-javatra ity. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa ny jirama sisa no mampiasa na manaiky ny ariary sy ariary roa ary ny ariary dimy fa ny ankamaroan'ny mpivaotra enta-madinika saiky mandà azy avokoa. Mbola miasa soa amna-tsara anefa izy ireny.
Manahirana ity siosion-dresaka ity an! Dia lazaina fa nampirevy ange, hono, ianao teny Ambohimanambola omaly sabotsy satria nitombo 14 volana indray ny fotoana itantananao ny jirama e! Dia hoe miditra indray izany, hono, ny saosy anjatony tapitrisa miditra aminao isam-bolana nefa ny olana jirama manerana ny faritra ity malaza dia malaza sady toa tsapa fa hitombo aza noho izao fiankinana tanteraka amin'ny solika avy any ivelany izao e! Soa ihany aloha fa tsahotsaho nefa aza hitako tena marina!
eisy aho eee
Mety ho tsy manaitra antsika loatra ny lohateny nefa ny zavatra nataon'izany orinasa goavana izany tany Amerika latina no nanaitra sy nampisy izany Ché Guevara nalaza tamin'ny fitolomana mitam-piadiana sy nantsoina hoe revolisionera. Nanaitra ny hambom-pon'io lehilahy io ny natao tamin'ireo mponina nanjakazakan'ny mpandraharaha sy nataony ho toy ny tsy manan-jo mihitsy.
Manana ny sampany eto Madagasikara ankehitriny io orita io dia ny Qit Minerals Madagascar izay miorina any Faradofay izany. Nampilendalendaina tamin'ny karama ambonimbony sy ny karazana tombotsoa samihafa aloha ny gasikely tamin'ny voalohany. Efa nisy ihany ny fotoana nanoratako teto fa tokony hanorina trano ho an'ny mpiasa izy ary notanterahiny moa izany.
Ankehitriny mivadika ny tantara, nitaraina tamin'ny haino aman-jery ny mpiasa ka nomarihiny fa nofoanan'ny orinasa ny tombotsoa azo rehetra teo aloha ary nisy aza no nampidinina ny kilasiny. Raha nomena trano ny mpiasa dia lasa nampanofaina avo dia avo indray izany trano izany, ary hita hoy ny mpiasa fa ny hamerenana ny vidin'ny fananganana ny trano mihitsy no atao ka ny mpiasa ihany no mandoa azy nefa tsy ho lasan'ny mpiasa akory ny trano avy eo.
Dia sanatria ve hiverina ny tantara ka ho tonga indray ny fanimbazimbana ny mahaolona ny mpiasa? Aza misy anie izany!
Reko
tamin'ny atoandro avy tamin'izay naheno ny fahatezeran'ny filoha Ravalomanana
raha nandalo tao Toamasina Andrenivohitra ekonomika izy, alohany hiondranany
any amin'ny nosy Maorisy, ka nahita ny tsy mbola nahavitan'ny lalana tao. Misy
ny lalana efa migodana lasa mampatahotra araka ny tatitra nataona mpanao gazety
satria mirimorimo avokoa na ny fiara na ny posy-bisikileta mianoka ny
hatsarany. Izao anefa, sady montotra ny lehilahy no niteny mihitsy hoe
"tsy faly aho" fa mihisatra araka ny fijeriny azy ny
fanamboaran-dalana.
Nanome
baiko aho tamin'ny Paska (izany hoe mbola tsy ampy iray volana izay)
nandalovako taty farany ny amin'ny hamitana haingana dia haingana (izany
hoe atao tsy maharitra ve izany ny zavatra vita satria ny vita haingana sarotra
mateza?) ity fanamboaran-dalana eto Toamasina ity. Tsy hitany akory izay
fandroson'ny asa. Izaho kosa aloha mieritreritra fa sarotra ho an'ny Shinoa ny
hametraka foto-drafitr'asa tsara orina ambony fasika e! Tsy vitan'ny baiko hoe
"misia...lalana" manko izy ity dia misy ny lalana. Nanome baiko
indray ny lehilahy fa tsy maintsy vita ao anatin'ny tapabolana io
fanamboaran-dalana io. Ilay Shinoa voakiana moa nihomehy fotsiny (angaha moa
mahazo mihomehy ny Shinoan'ny Tanibe?).
Ny tao
an-tsaiko indray moa dia nipaka tamin'ny hoe iza indray no ho voadaka eo
amin'ny toerany? Sa iza indray moa no minisitra "coach" ny faritra
misy an'i Toamasina? tsy tadidiko intsony na Analanjirofo no misy azy na
Atsinanana. Sa ho sahy hanala ny Shinoa amin'ny fanaovana io lalana io ve izy
tsy hovaliany amin'ny tsy fanamboarana ny trano fandraisam-bahiny miezinezina
ao Ivato kasaina hovitaina handraisana manam-pahefana ambony mandritra ny
vovonan'ny (fivoriana faratampony) filoham-pirenena sy filoham-panjakan'ny
Firaisambe Afrikana (2009)? Angamba izany koa no efa nieritreretana hananganana
Tranomihaja 50 nolazain'ny minisitry ny asa vaventy sy ny fitaterana tamin'ity
herinandro ity.
Fa
mahalasa eritreritra ahy ihany koa fa mailaka dia mailaka izy mitsikera
mivantana (fa tsy sahin'ny mbs nalefa intsony ny alin'ny Asabotsy ny sary sy ny
nitenenan'ny filoha, tatitra sisa no natao raha nalefa kosa izany tamin'ny tvm)
izay tsy fetezan-javatra nisy tany Nosy Be na mampiovaova matetika ny
delegasioona ao, sy izao any Toamasina izao ka iandrasan'ny maro izay ho
tohin'ny raharaha... fa tsy mety hitany mihitsy ny tsy fahavitan'ny
tsenan'Asabotsy Antsirabe Antampontanana efa mitarazoka dimy taona izao. Toa
tsy raharahany akory fa misy fandravana trano manamorona iny lalam-pirenena iny
nefa dia tsy onerana izany na dia ariary aza satria "baikon'ny
filoha" ny fandravana. Rehefa anehoan'ny vahoaka amin'ny alalan'ny
fifidianana ny tsy fahafaliany anefa dia izy indray no tezitra.
Ny orinasa lazaiko eto dia tranombarotra goavana mivarotra fiarakodia izay manana ny foiben-toerany ao Ankorondrano. Gaga dia gaga aho raha nahita filazana tao amin'ny gazety 'le quotidien' omaly 14 febroary takelaka iray manontolo ny fanaovana lavanty hotontosaina ny alatsinainy 18 febroary 2008 ho avy izao ary hatomboka amin'ny 10 ora maraina izany.
Amidy atao lavanty noho ny fitorian'ny lehiben'ny resevera momba ny hetra izay misolo tena ny talen'ny fanarahamaso ny fandoavan-ketra sy ny fifanolanana mikasika izany manko ny fiara miisa 117 sy fiara mpitrongy tany (tracteur) an'io orinasa io. Fiara vaovao tokony amidy avokoa izy ireo ary saiky fiara fitondrana entana mahatanty lalandratsy (4x4) misy seza aloha sy aoriana avokoa (pick up double cabine).
Vaka ny saina no mieritreritra izao toe-javatra izao. Tsy mba fiara ampolony manko no resaka eto fa mihoatra ny zato. Inona ny fototry ny olana? Nanao fahadisoam-pilazana ve ny orinasa sa tsy zakan'ny orinasa intsony ny hetra takian'ny fanjakana? Mila fanadihadiana avy amin'ny mpanao gazety izao... ary enga anie mba hisy izany hipoiran'ny marina amin'ity zavatra tsy mbola reko loatra ny akony an-gazety ity. Ny fotoana ihany koa moa ny ahy dia sambosamborina hatramin'izao.
Fa resaka hafa dia hafa ho fahatsiarovana ny fetin'ny mpifankatia teo indray ity soratako eto ity. Naka rivotra kely aho afak'omaly hariva dia nandehandeha tamin'iny Tsaralalana iny tokony ho tamin'ny 5 ora sy sasany hariva teo (mbola hiverina hiasa soa aman-tsara avy eo). Nisy rangahy iray tokony ho anelanelan'ny 65 - 75 taona teo ho eo teo alohako nizotra soa aman-tsara. Nisy ramatoa anelanelan'ny taona 55 - 65 eo ho eo nifanena taminay fa notsongoin'ilay rangahy mafy ihany ny sandriny ho'aho. Taitra be ilay ramatoa ary nahateny hoe 'fa adala ve ianao rangahy ity a! efa antitra io mbola misary gaigy ihany?'. Izaho kosa latsaky ny hehy tsy misy tahaka izany nahita izany toe-javatra izany. Ilay rangahy koa moa tsy niherika mihitsy sady nitsiky vendrana izany rehefa nosongonako hatreny ampitandalana hijereko ny tavany. Loza koa anie ity fetin'ny mpifankatia ity fa mahalasa gaigy ny tanora sy ny antitra e!
Eo anoloan'ny fisondrotan'ny hetra sy ny haba isankarazany dia mandeha dia mandeha ny fanontanian'ny mpiresaka an-dalambe, fa tsy amin'ny haino aman-jery hoe mba mandoa vola ve ny tiko sa orinasan'ny filoha dia tsy takian-ketra?
Mitsamboaboatra ihany ny olona raha vao ampifandraisana ny hetra aloan'ny olona ka iniana anotaniana hoe mba manao ahoana ny vondrona tiko? Koa raha sahy sy te-hampangarahara ny toe-java-misy manaporofo ny fitiavan-tanindrazany amin'ny fandoavan-ketra ny tiko dia tokony hanambara izany ampahibemaso sady hilaza ny vola naloany isan-taona indrindra hatramin'ny nitondran'ny filoham-pirenena.
Efa manahirana koa manko ny lahatsoratry ny vaovaontsika indraindray tahaka ny fanaovana lohateny hoe politikan'ny fitarainana. Dia manantena isika fa hampiseho ny fanatontosany ny adidiny ny orinasan'ny filoham-pirenena
Nanana ny lazany teto amin'ny tanàna indray ity resaka nampakarana ny karama ity. Ny an'ny mpiasam-panjakana no nolazaina voalohany tamin'ity raharaha ity nandritra ny kabarin'ny filoha Ravalomanana tamin'ny faran'ny taona teo iny.10% no nolazaina ary natao hoe nahakivy ny mpiasam-panjakana izany. Izaho indray tsy hitako izay tokony hahakivy satria samy manao ny ataony daholo ihany ary raha misy ny sampan-draharaha tsy mandeha amin'izay laoniny ny fanaovana asa dia ny asam-panjakana no malaza voalohany indrindra amin'izany. Ny an-dry zareo aza misy fampakarana ihany isan-taona fa ny anay izany indray mandeha ihany izay tao anatin'ny dimy taona, sady noho ny "fiakaran-daharana" fa tsy hoe niakatra tamin'ny toerana nisy ahy.
Androany indray dia nahita tamin'ny gazety fa nanao soso-kevitra hampakarana ny karama koa ny patirao "sasany". Averiko indray ny hoe sasany ka tsy 10% toy ny an'ny mpiasam-panjakana fa 8% hoe. Endrey, mba misy vondrona manao izany ihany kay? Ny anay manko dia efa nilaza mialoha (aza manontany izay misy ahy fa tsy hilaza koa aho) fa na dia te-hanondrotra aza dia tsy afaka noho ny nampakaran'ny fanjakana ny isan-jaton'ny hetra alaina amin'ny orinasa. Tsy hilaza ny taha ihany koa aho satria ho hita any amin'ny teti-bolam-panjakana 2008. Indrisy ry mpiasan'ny tsy miankina toa anay fa tsy hisy ny fanondrotana...
Fa ny mba mahagaga ahy dia ny hevitra sasany manao hoe aleo, hono, tsy ampakarina ny karama, dia sakanan'ny fanjakana ihany koa ny fiakaran'ny vidin'entana. Atao ahoana fa izay angaha ny tarazon'ny fotokevitra sosialista revolisionera niainana fahazaza. Ny vidin'entana tsy ho azo ferana na oviana na oviana tsy hiakatra indrindra ao anatin'izao vanim-potoanan'ny fanotoloana izao. Zaranareo izay mahazo fanondrotana aza fa na dia miakatra aza ny vidim-piainana dia manana hafainganam-pandeha tsaratsara kokoa ianareo noho ny anay omaly tsy miova.
Fa izany eo ihany fa iza ary ireny manam-pahaizana momba ny antontanisa milaza fa 15% ireny ny fiakaran'ny vidin-jiro? Ny ahy ve rangahy lasa avo roa heny mihitsy ny fiakarany dia 15% hono... any amin'ny vaniny faharoa anie no tena mamely ilay fisondrotana e! (2° tranche no tiako lazaina fa ilazao ihany aho raha misy teny malagasy metimety aminy kokoa. Fa na dia hiakatra 8% aza ny karaman'ny mpiasa tsy miankina hafa ny anay aloha efa niala tsiny ny lehibe e!
Orinasam-barotra goaibe Afrikana Tatsimo ny Shoprite araka ny fahalalako azy. Izy no nisolo ny Champion izay tsy tamana teto Madagasikara intsony rehefa nifarana hatreo ny fitondran-dRatsiraka Didier. Raha izay tadidy izay no lazaina dia tokony ho tamin’ny taona 2003 teo ho eo no niditra ny tsena malagasy ity fivarotana goaibe ity.
Raha misy ny toerana tsara indrindra azony mahalaza tsara azy dia io eo Antaninarenina (Printemps, Prisunic, Champion ary farany Shoprite) io. Na dia lavitra akaiky azy aza manko ny eo Analakely anoloan’ny Lycée Rabearivelo dia azo lazaina fa samy manana ny mpanjifany izy roa ireo. Ho anareo mbola tsy mahalala ary dia nikatona io Shoprite eo Antaninarenina io nanomboka ity volana ity noho ny tsy nanavaozan’ny tompony intsony ny fanofana ny trano.
Azo lazaina fa tombombarotra misimisy ihany no very noho io fikatonana io ary hahazo tombony izay hahazo io toerana fantatra amin’ny mahatsenambarotra lehibe azy. Dia hibanjina any ny mason’ny mpanarabaovao liana hahafantatra haingana dia haingana izay nahazo ny tsena. Mbola ho tsenambarotra ihany ve sa hampiasaina zavatra hafa amin’izay? Aza hitako anie ka lasa mahagrrrr…aoka marina e !
Na dia tsy misy mpilaza loatra amin’ny haino aman-jery aza ny fisian’ny vola sandoka eto amin’ny firenena, tsy milaza izany fa tapitra hatreo ny amin’io. Hatramin’izao fotoana izao dia any ambanivohitra no tena malaza ielezan’ireny vola sandoka ireny. Mazava loatra fa raha tsy mahalala tsara ny vola dia mety ho voambaka, indrindra fa ireo mpivarotra omby any amin’ny tsenan’omby mazava loatra.
Tsy dia miakatra eto an-drenivohitra loatra kosa ireny vola sandoka ireny noho ny fahalalana avy hatrany ny mahasandoka azy angamba. Vantany vao aharenesam-peo ny fisiany manko eto Antananarivo dia vetivety dia azo ireo mitondra azy ary matetika rehefa misy tambajotra tratra dia misy Komoriana na Afrikana vitsivitsy hatrany ao anatin’ny tombajotra iray. Noho izay antony izay no mahatonga ny maro izay iresahako tsy mankasitraka loatra ny fahamaroan’izy ireo eto an-tanàna ary antony iray tsy nankasitrahana ny fidirana tamina tsena ekonomika roa avy hatrany (sadc sy comesa). Ny tombotsoan’ny filoha ihany no tena banjinina tamin’ny fidirana tamin’ireo vondrona ekonomika ireo, hoy ny hevitry ny tsy mpankasitraka sy/na tsy mahita tombotsoa loatra amin’ny fahamaroana Afrikana mandraharaha eto an-tanàna.
Izay no ela fa hampiseho anareo sarim-bola ambadika sy anoloana aho ka anjaranareo ny mamaly aloha hoe iza amin’ireo vola ireo no hitanareo fa vola sandoka? Samy sandoka avokoa ve izy roa sa samy tena vola avokoa? Sa ny vola ambony ihany no sandoka? Sa ny vola ambany ihany no sandoka? Hazavao ny hevitrao!
Ny valinteny marina amin’ireo fanontaniana rehetra ireo dia “TSIA” avokoa afa-tsy voalohany sy ny farany irery ihany. Ny voalohany tsy mety valiana eny na tsia fa mitady valiny hoe itsy, na iroa, na izy roroa, na samy tsy izy. Ary raha mamaly “eny” kosa ianao tamin’ny fanontaniana farany ka manana ny antony mazava dia nahita ny marina ianao.
Ny tsikaritry ny nahita ny mahasandoka ilay vola teo ambany voalohany dia ny soratra 2000 nitsonika. Io vola nitsonika io no manaitra ny saina satria tsy dia fahita tamin’ny vola taratasy loatra.
Rehefa hita iny nanaitra voalohany iny vao afaka jerena hoe toa somary mifotetaka kokoa ny loko na dia tsy mivandravandra aza izany. Ny vola tena izy moa hita ho maimaina izay ihany ny fijery azy.
Aoka anefa homarihina fa sary alaina ambanin’ny hazavan’ny masoandro ny sary nijerenao azy fa raha ny nandraisanay azy tanaty toerana somary malomaloka maizimaizina ihany dia tsy hahatsikaritra azy loatra ianao raha tsy efa nilazana mialoha. Maro tamin’izay niresahako moa ny niteny hoe raha any amin’ny fiara fitaterana iny no alefa tsy hisy hahatsikaritra akory. Ny fandrasaina ilay vola manko raha tsy efa mpikirakira azy tsy hahatsikaritra ny mahasamihafa azy amin’ny tena izy akory. Tsapa ihany fa somary matevina ilay vola sandoka nefa malefaka kokoa rehefa miara-raisina izy roa.
[25]
Rehefa izay vao mijery ny tsikaritra hafa ianao. Io fa mivandravandra mamirapiratra loatra ny tsiratsiraka fanavaham-bola (filament) amin’ilay vola sandoka nefa rehefa tarafina tsy ahitana soratra 2000 tahaka ny amin’ny vola tena izy.
[4,20,27,26]
Jereo kosa anefa fa vitan’ny manao vola sandoka amin’izao fotoana izao ny sariomby izay fiarovan’ny maroan’isa taloha.
[28,29]
Ny mampihomehy amin’ny sariombin’ny volasandoka fotsiny dia tsy marika 2000 araka ny sary amin’ny vola tena izy no hita fa 5000. Jereo tsara ny maritsoratra mitsangana miakatra eo ambany ankavian’ny sariomby. Misy ihany koa moa ny fiavahana madinidinika nefa noho ny hamaroan'ny sary hijerena ny lafy sy ny joro rehetra dia azonao jerena eto izany.
Eo vao lasa ny eritreritra hoe, tsy hanao dikantsary vola tsirairay ny manao vola sandoka fa mety hiverimberina ny laharana sahala amin’ity asehoko eto ambany ity
Fa rehefa nahita ity vola sandoka ity aho, ka miverina mieritreritra ny sarambamben’ny olona indray mamantatra ny vola sandoka amin’ny tena izy dia hoy aho hoe tsy mahagaga raha betsaka ny vola rovitra mandehandeha ain’izao fotoana izao. Tandrifin’ny tsiratsiraka hatrany manko no misy ny rovitra ka mahalasa ny fisainana hoe misy manao fanahy iniana mandrovitra ve sa eo no mora rovitra ny vola. Amiko manokana anefa dia tsy mitombina loatra ny valinteny faharoa farany io.
Rehefa tsorina indray ny kajikajy amin’ity resaka hetra vaovao kasaina hotanterahina manomboka amin’ny voalohan’ny taona 2008 iny vao mahita sampona tampoka eny ihany. Mpikarama ny tena ka tsy maintsy mijery an’izay mihatra amin’ny mpikarama amin’ity resaka hetra ity. Ny tena mampalahelo ny maro amin’ny mpiasa dia izay anaty rafitra mandoa hetra hatrany no ataon’ny fanjakana mangana amin’ity tsy maintsy mandoa vola ity. Ny tsy anaty rafitra kosa betsaka no mandray vola betsaka noho ny anaty rafitra saingy tsy miraika ny handoa mihitsy rehefa fanentanana fotsiny no atao fa tsy misy tena fanerena ny olona rehetra handoa. (Marihina fa tsy mbola nahita ny famoahan-kevitra aho tamin’ny nandrafetana ity lahatsoratra ity).
(tohiny)
Tantara marina hita tamin’ny fahitalavitra teto an-toerana no vahavahako kely eto ary momba ny fandraharahana madinika sy salantsalany no horesahina. (tohiny)
Faly tena faly aho satria fantatro fa misy mpamaky ary tsy olonolom-poana no mamaky fa misy tompon’andraikitra ambony mihitsy araka ny fandiniko azy. Na sendra taraiky tamin’ny fanoratana aho fa efa teo ampikarakarana ny mpiandraikitra indrindra izay zavatra nosoratako.
Ny holazaiko voalohany dia ny momba ny dokambarotra rehefa niteny aho hoe misy fitetehana avy amin’ny mpitondra ve fa saiky tany amin’ny gazety mpiteny frantsay ihany no amoahany lahatsoratra? Ireny manko sady misy teny malagasy no misy teny frantsay, izany hoe teny ofisialy roa no voafaokany. Ny filankevitra voalohany nanaraka io soratra nataoko io dia indroa namoaka fanambarana mandoa vola tamin’ny teny malagasy ny tao amin’ny fitondrana. Any amin’ny gazety miteny frantsay kosa indray no misy izay amin’ny teny frantsay… ny teny anglisy moa mbola tsy namoahana izay vokatry ny filan-kevitry ny minisitra ny governemanta izany. Tsara izany, hoy aho faly!
Angaha vitan’izany ihany, hoy ianao? Namoahan’ Andry TGV efa notantaraiko ao amin’ny 10 oktobra nitondra ny lohateny hoe “Ry fitaratra O. iza no tsara noho izaho” ny gazety rehetra ankoatra ny an’ny filoham-pirenena mazava loatra. Tsy nanavaka izy na teny malagasy na teny vahiny no namoahana ilay fanambarana nataony saingy tamin’ny teny frantsay moa no nanoratany. Azo heverina fa fantatry ny mpanao dokambarotra fa ho vetivety kokoa, izany hoe fantany ihany ny herin’ny mpiteny malagasy, ny fielezan’ny fanambarana navoakany tamin’ny gazety miteny malagasy.
Dia, nampihomehy ahy indray ity, avy koa ny dokambarotra avy amin’ny mpanome angovon’aratra malagasy (batterie) Virio namoaka dokambarotra pejy iray manontolo tamin’ny gazety taratra, sady ahitam-baovao betsaka indrindra no ahitana hatsikana hatrany koa ao aminy isan’andro. Fa ny tena nampihomehy dia maro dia maro tokoa ny soratra no najanona tamin’ny teny frantsay ihany na dia niezaka nandika tamin’ny teny malagasy aza ireo ao amin’ny sampana dokambarotra sy serasera ao aminy. Nieritreritra kosa aho fa diso toerana ihany ny dokambarotra nataony. Hadisoana voalohany araka ny eritreritro dia tsy mpamaky itony gazety itony loatra ny mpanana fiara eto Andrenivohitra ny ny tanàna hivarotany izany mpanome angovon’aratra izany. Faharoa izay mitohy amin’ny voalohany ihany dia azo heverina hoe izay no ahazoan’ny maro an’isa mpanana fiara azy saingy naleo ary natao teny frantsay manontolo ny lahatsoratra navoaka. Sady mora mahatezitra mpandala teny malagasy manko ny teny mifangaro loatra no ahiana tsy hahavaky hatramin’ny farany izay nosoratana amin’ny teny malagasy ny zatra mamaky amin’ny teny frantsay; mety ho diso aho nefa izay no iheverako azy.
Ny manaraka izany indray dia ny resaka delestazy. Nampihomehy tamin’ny andro namoahako iny lahatsoratra iny. Vao tafavoaka indrindra ny lahatsoratra no maty atsasakadiny ny jiro tany amin’ny toera-mpiasana nisy ahy. Roa andro taorian’ny nanoratako raha ela indrindra dia tapitra hatreo ny delestazy taty amin’ny tanàna no sady tsy nahenoheno azy loatra aho. Fifanandrifian-javatra ve sa…? Izao manko, namoaka fanambarana ireo vahiny fa maintsy akarina ny vidin-jiro, nanamafy ny Minisitra avy eo ary nanaiky ihany koa ny filoham-pirenena no sady nilaza fa efa tompon’andraikitra amin’izay no minisitra raha mbola misy ny delestazy. Dia tonga ny fahagagana fa ny teto an-drenivohitra aloha tsy nahenoaka fitarainana loatra intsony, ny any amin’ny faritany indray tany lavitra andriana ka tsy ahafantarana na inona na inona aloha.
Ny mbola tsy re ary andrasan'ny maro kosa hatramin'izao dia ny valin'ny fanadihadiana momba ilay berila emeraoda. Lasa vakansy ve ny mpandinika sa vita tany amin'ny mangigina ny resaka? Dia izay aloha ny amin’iny raharaha iny fa rahampitso indray isika mihaona eto…raha sitrapon’Andriamanitra.
Marina fa ho fenon’ny setroka indray ny lanitry Gasikara fa tsy any akory ny resaka tiako ahatongavana. Zavadoza eto amin’ny firenena io tranga io ka tsy azo hamaivanina velively. Ny mpanaraka ny eto amin’ity blaogy ity dia mahafantatra tsara ny famerimberenako ny tsy fankatoavako ity fanapaha-jiro ity. Betsaka ny lafiny tsy itiavako azy na dia mody hoe ny fihemoran’ny mpandraharaha tsy hanao zavatra eto raha ho tapatapahina lava ny jiro no hany ambara. Fatiantoka ho azy ny hiaritra tsy fisian-jiro nefa ny asa rehetra, raha tsy ny ankamaroany dia miankina amin’io avokoa.
Efa nasehoko tsara ny safidiko fony nialoha ny fifidianana ho depiote ireny. Nolazaiko mazava tsara fa nirotsaka teo amin’ny fari-pifidianana nisy ahy ny minisitry ny angovo tompon’andraikitra voalohany misahana io resaka io ka tsy hifidy azy velively aho ho fanoherako izay nataony nandritra ny nitantanany ny jirama aloha dia ny minisitera mihitsy avy eo. Lazaiko etoana fa nilaza ny hevitro tamin’ny radio mihitsy aho ka niteny hoe tsarao amin’ny asany ny minisitra nirotsaka fa ny ahy delestazy no fantatro. Saingy aim-bery maina izany antsoko izany. Ankehitriny…
Tahaka ny mandainga aho raha manoratra aminareo etoana fa ny fari-pifidianana nisy indrindra io minisitry ny angovo io no ifandimbiasan’ny delestazy amin’izao fotoana izao: Antaninarenina, Isoraka, Isotry, Tsaralalàna, 67ha, Ampefiloha fa ny faritra hafa (Boriborintany moa no ilazany azy) kosa dia gaga raha iresahanao izany toe-javatra izany. Ho an’Antananarivo Renivohitra io, tompoko. Satria nifidy ahy ireo (angamba hoy ny tenany any ambadika any) dia nankasitraka izay nataoko izany ka amin’izy ireo ihany no hanaovako delestazy ho an’Antananarivo renivohitra. Ny tanàna hafa manodidina ihany koa dia miverina soa aman-tsara ny delestazy.
Nandre resaka ihany koa moa aho fa izay ela izay ka fantatra fa mbola hafa ny safidin’ny mponina tao an-tampontanànan’I Toamasina dia tsy nisy loatra ny delestazy tany. Fa nony injay lany ho depiote ny avy ao amin’ny TIM dia arahaba ry delestazy, avelao koa izahay mba hiaina azy. Ny ao Mahajanga tampon-tanàna indray moa tsy manana olona hifandraisana any loatra aho. Mino aho fa noho io resaka io no nampihintsana be dia be ny TIM tao amin’io tanàna io. Efa ela niaretana manko ny tao. Ny any Toliary moa, izay gropy rehetra tonga any simba avokoa…mahery loatra angaha ny toetr’andro any ( mba tsy ilazana hoe misy mangalatra hatrany angaha ny piesy rehefa tonga any na fatin-gropy foana no mba alefa any).
Ankehitriny ihany, miandry Lafrantsa. Hanampy ny fanarenana ny jirama izahay (indrindra raha omenareo anay ny fitantanana io sehatra io). Amin’ny alalan’ny solontenan’ny tahirim-bola iraisam-pirenena izay milaza ny tsy maintsy hampakarana ny vidin-jiro eto Madagasikara no hilazana ny fanampian’ny firenena any ivelany ny jirama. Angaha misy miteny ny olona? Efa miandry fotsiny. Ny mpitondra fanjakana koa, indrindra fa ny filoha Ravalomanana, tsy aharenesam-peo manohitra izay fampakarana ny vidin-jiro izay.
Fa ny tsaroako tsara nanombohan’ity delestazy ity dia ny filazana mialoha fa tsy maharaka ny solika manodina ny milina, avy eo dia hoe hampiana milina hafa ny eo amin’ny tohadranon’Andekaleka mba ahafahana manana herin’aratra matanjatanjaka kokoa ka mba mihafy kely aloha isika. Hay ity resaka ity ny delestazy mandeha fa ny milina napetraka toa tsy hita akory. Aty amin’ny enimbolana faharoan’ny taona 2007 vao lazaina fa hatao (mbola fotoana ho avy ihany koa) ny tolobidy amin’ny fametrahana milina vaovao sy fikojakojana ny efa eo. Dray izany izy! Tsy aleo izany mieritreritra hoe amin’ny fotoana fahatelo itondran’ny filoha Ravalomanana any mihitsy angamba vao tena hisy ny hijerena (mbola hijerena fa tsy miditra amin’ny asa) ity raharahan’ny jiro eto Madagasikara ity.
Fa mbola nofinofy ihany izany raha mbola io minisitry ny angovo io ihany no mitantana io sampan-draharaha io. Tokony hoporofoin’ingahy minisitra amin’ny asa vita fa tsy marina ny tsaho efa mahery loatra manao hoe ahodiny avokoa ny vola tokony nikarakarana io orinasa mihafadiranovana io ka mahatratra anjatony miliara izany vola miodina izany… Tsaho io nefa fantatsika tsara ny Malagasy fa ny tsaho no inoany kokoa satria resaka afenina ireny.
Fony fahakely aho dia nandre karazan’anganom-bazaha nilaza ny fialonan’ny renikely ny zanaky ny mpanjaka. Izay no fitadidiako azy. Nihevitra ramatoa fa izy no tsara tarehy indrindra amin’ny fanjakana. Rehefa manatrika ny fitaratra izy dia manontany ny fitaratra hoe: “iza no vehivavy tsara tarehy indrindra?”. Dia mamaly tokoa, hono, ilay fitaratra. Izay tsara noho ramatoa dia omeny vorika na vonoiny avokoa. Angano Rainiboto io raha tsy diso ny fitadidiako. Mahatsiaro ilay angano aho raha mahita ny zavamisy eto Antananarivo amin’izao fotoana izao.
Efa hitako ihany nanomboka ny tapaky ny volana septambra ny fanapahana ny takela-by fanaovana dokambarotra eo ambonin’ny lozok’Ambanidia. Alindalina ihany manko aho no miserana eo matetika. Tsy nataoko hahagaga loatra raha nahita ny mpiasa mpamonjy voina sy mpamonjy haitrano nanala takela-by aho. Noheveriko fa fikarakarana tsotra ny nataon-dry zareo ka hanolokolo ny manodidina io toerana io no nanaovan-dry zareo io fanapahan-kevitra io. Na izany aza efa maizimaizina ihany ny andro no manao ny raharahany eo ry zalahy. Ora fanampiny ahazoana tambi-karama io izany, hoy aho anakampo.
Tonga indray ny fotoana manaraka dia nametaka takela-by indray ry zalahy rehefa avy noavahavaina ny manodidina. Fetsy koa anie ry zalahy izany e! Fa ny somary elaela ny nanaovan-dry zalahy azy dia ilay takelaby somary bebe velarana noho ny mahazatra izay (mbola tsy vita io hatramin’izao ary tsy nitohy ny asa hatramin’ny nivoahan’ny raharaha tamin’ny gazety). Tsarovy fa amin’ny alina hatrany ry zalahy no niasa tamin’ireo fotoana nolazaiko ireo. Tena mikarakara kosa ry zalahy izany hoy aho mahita ny fitohizan’ny asa.
Kanjo namoaka fanambarana nameno pejy iray tamin’ny gazety rehetra ankoatra ny an’ny filoham-pirenena mazava loatra na teny malagasy na teny vahiny ny orinasa Injet tantanin’Atoa Andry Rajoelina fantatra amin’ny anarana hoe “Andry TGV”. Tamin’ny anarana maha-mpitantana ny orinasa domapub (Dokambarotra Malagasy) moa no nanaovany ny fanambarana. Taratasy misokatra ho an’ny PDSn’Antananarivo Renivohitra manambara ny alahelony ny amin’ny fanapatapahana ny takelabin’ny domapub.
Teo aho vao gaga… hay ve tsy nierana tamin’ny mpitantana ny domapub ireo asa hitako ireo e! (ny hitako no lazaiko) Nosoratany fa 58 ny takelaby notapahin’ny Kaominina. Gazety iray no nahitako fa 46 ny takelabin’ny domapub fa 12 ny an’ny injet ka ireo isa ireo mitambatra no nolazain’ny manome ny 58 nosoratan’ny mpitantana. Manaraka izany dia nisy taratasy nalefan’ny Kaominina nanambara fa ireo takelaby izay notapahina dia afaka alain’ny domapub (sy ny injet) amin’ny alalan’ny fandoavana 100.000 Ar isaky ny takelaka. Fa inona ny heloky ny mpitantana? Lasa lavitra avy hatrany ny sain’ny mpanara-baovao.
Mananontanona (amin’ny 12 desambra 2007) manko ny fifidianana ho Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsainan’ny tanàna ka mijery izay mpifanandrina atahorany handresy azy ny eo amin’ny antokon’ny fitondrana. Fahadisoana voalohany ny nampivandravandra teo imason’ny rehetra izany olona atahorany izany. Tsy nahay nianatra ny leson’ny tantara mihitsy ny mpitondra. Tamin’ny fanenjehana be dia be natao tamin’ny filoham-pirenena ankehitriny no namantaran’ny mponina teto andrenivohitra ny olona natahoran’ny Arema tamin’ny fotoan’androny. Ankehitriny, ny adala ihany no mamerina fahadisoana mitovy tamin’ny teo aloha.
Manaraka izany, teo amin’ny leson’ny tantara ihany, rehefa tena an-tenda ny aina ka manahy ny ho bankirompitra I Andry TGV, dia tsy maintsy mirotsaka hofidiana izy amin’io fifidianana ho avy io. Famonoantena ny namoaka fanambarana nefa tsy manohy ny andraikitra efa noraisina vokatry ny fanambarana. Efa be sahady ireo mivonona ny hanohana an-dranamana. Ny mpanohitra ihany koa efa faly anaty mahita ity olona nataon’ny fitondrana sorona ity. Ny ainga tena nifotoran’ny adi-hevitry ny olona moa dia ny resaka hoe nahoana no ny tanora miezaka sy misandratra toy ireny no anaovana antsojay toy izao? Ny fiaraha-miasa aza no tena tsara nojerena fa tsy ankasomparana.
Ny nampihomehy moa dia nanararaotra ihany koa ny mpifaninana amin-dry zareo amin’ity karazana dokambarotra amin’ny takelaby ity ka nanapa-kevitra ny hanapaka ireo takelabin’ny injety sy ny domapub ihany koa. Ny I-mada sy ny MadaOI (ny nasolo ireo takelaby teo ambonin’ny lozok’Ambanidia) moa no tena fantatra amin’izany fanararaotana izany. Tsy mbola nahitako na naharenesako kosa ny Jocker sy ny orinasa nitsangana vao haingana ny naharenesako azy dia Publivel, tsy fantatra ihany koa raha misy vondrona avy amin’iretsy Mada roa iretsy ireo farany na tsia. Ny tsaho, izany hoe tsy voamarina kosa, dia malaza ny hoe ireo I-mada sy MadaOI ireo dia miaraka amin’ny Mbsgroup ihany.
Hira nanana ny lazany tamin’ny fotoan’androny, nilaza ny zavamisy tamin’izany fotoana izany. Efa ho telopolo taona lasa izay, tokony ho efa lefy amin’izao taonarivo fahatelo izao, nefa dia mbola miverina amin’ny heriny indray ankehitriny ilay hiran’ny tarika Mahaleo namatrapatraka ny nataon’ireo mpanondrana ny harena voajanaharin’I Madagasikara rehetra, na avy anaty tany io, na ety ambonin’ny tany.
Naseho sary tamin’ny televiziona, noresahin’ny rehetra, saingy indrisy tsy hitako, izany nolazain’ny televiziona Reinoney ho Emeraoda milanja 536 kg izany. Tao anaty vanim-potoanan’ny fifidianana indrindra no nipoitra io resaka io fa somary niandry kely vao nipoaka amin’izay. Natao fampirantiana tao amin’ny nosy akaiky tokoa manko io vatosoa io, izay nolazainy fa avy teto Madagasikara, ary nirehareha mihitsy ilay Shinoa nahazo azy. Nangataka alalana hitondra azy any Shina manko ranamana saingy tsy navelan’ny fitondrana frantsay raha tsy mandoa ny hetra mifanaraka amin’ny sandan’ny vatosoa. Teo vao taitra ny rehetra. Nifanontany amin’izay hoe nivoaka an-tsokosoko io sa nivoaka ara-dalàna? Ary mba manao ahoana moa ny vola niditra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana?
Voatery niditra an-tsehatra ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany Donat Andriamahefamparany (hitantsika amin’ny gazety any izay nambarany), nilaza fa tsy nisy sora-pamoahana Emeraoda 536kg tany fa Beryl 536kg no hita. Nambara ihany koa fa raha Emeraoda dia tsy maintsy ny “Guichet unique” no manome alalana, fa raha beryl kosa dia ny sampan-draharaham-paritany ihany dia efa afaka mamoaka azy ary dia tany ilay orinasa no naka fahazoan-dalana. Nohazavaina manko fa tsy tafiditra ao amin’ny sokajin’ny atao hoe vatosoa sarobidy ny beryl fa vato fipaika fotsiny. Dia nanambara ny Minisitra avy eo fa asiana ny “contre-expertise” avy amin’ny minisitera na tena Emeraoda tokoa io vato io na beryl araka ny nosoratana tao amin’ny taratasim-pamoahana azy teny amin’ny seranana (nivoaka ara-dalàna soa aman-tsara ilay zavatra izany!).
Nisendaotra indray ny mpikarajia. Raha tsy nidehadehaka nandraty ilay vatosoa izany ilay Shinoa dia vitavita ho azy tany ity raharaha ity? Hita mihitsy fa natao ho an’ny vahoaka tsotra ny Bianco fa tsy kitihiny mihitsy ny vaventy! Tampi-maso aseho ny mpamatsy vola iraisam-pirenena fotsiny ny nananganana io sampan-draharaha anankiray io. Iza no nanao ny sonia? Iza moa no nampianatra ny Malagasy ny karazam-bato ka raha izay ve ny nolazain’ny nampianatra antsika dia ho sahy hanohitra izany isika? Sy ny karazany tsy ho tanisaina lava intsony. Mihevitra manko ny maro fa fanodikodinan-dresaka fotsiny ny tenin’ny Minisitra. Tahaka ny momba an’I Steeve Turmell izay tsy fantatra intsony ny misy azy amin’izao fotoana izao (nangina tsy miteny manko ny fanjakana ka mitaky ny misy azy ny gazety iray miteny malagasy). Tany amin’ny faraparan’ny adi-hevitra no nilaza ilay ramatoa fa iray karazana ihany [Be3Al2]ny beryl sy ny emeraoda, ary ao anatin’ny sokajin’ny beryl ihany koa ny emeraoda fa manana ny lafiny mahatsara azy kokoa. Hein! Hahita fialana bala indray izany ilay orinasa raha izany k’ty. Tsy nandainga aho, hoy izy fa jereo ny rakibolana.
Ny hita tahaka ny Iceberg fotsiny io raharaha Emeraoda naranty tao La Réunion io fa mihevitra ny be sy ny maro ankehitriny hoe mbola aiza ireo tsara afina ny fanondranana azy. Fa ny azy, tokoa, ny valizy efa feno ny devizy. Eto ampamaranana miarahaba an-dRajiosy miditra amin’ny sehatry ny vohikala. Mahavità be!
Mahavantana ny Malagasy rehafa manao sarim-pamantarana an’I Madagasikara eo amin’ny zavamaniry ny mametraka sarina ravinala. Vao tsy ela akory no nahenoako fa ny toerana be mpitsidika indrindra eto Madagasikara dia ny lalam-ben’ny Baobaba (allée de baobab) any Morondava any. Nisy aza moa mpitarika mpizahantany nanamarika fa ny Japoney rehefa tojo ireny Baobaba ireny dia sahala ny mahita andriamanitra mamihimpihina azy eo. Ary mihevitra ny maro amin’ny mpizahantany fa tsy nitsidika an’I Madagasikara raha tsy mahita Baobaba. Nianarana tany ampianarana rahateo fa misy karazany fito izy io eto Madagasikara raha tsy misy afa-tsy karazany tokana monja any Afrika.
Tsy tana ny eritreritra eo anatrehan’izany toe-javatra toa mifanohitra izany. Ataon’ny malagasy ho rehareha ny ravinala ary manamarika izany indrindra ny sary famantaran’ny lalaon’ny nosy fahafito hotanterahina tsy ho ela, toa tsy ao an-tsaina loatra mifanindran-dalana amin’izany ny Baobaba. Dia hoy aho hoe maninona moa mahafantatra io fitiavan’ny mpizahantany io raha mba misy sary famantarana zavamaniry hafa ihany koa ka tsy ambaniana mihitsy ny Baobaba fanintonanaireny vahiny ireny hitsidika an’I Madagasikara?
Mahoraka tamin’ny rehetra indray ny kabarin’ny filoham-pirenena Ravalomanana omaly teo anoloan’ny lapan’ny tanàna tany Taolagnaro omaly 12 jona 2007 (efa voahitsy e!) maraina. Nametraka ny vatofehizoro (vatofototra no ilazan’ny haino aman-jery azy) anamboarana ny seranana ao Ehoala manko izy tamin’io fotoana io.
Minisitra folo ankoatra ny praiministra ary tompon’andraiki-panjakana maro hafa no niaraka taminy nandritra io fitokanana io sy ny fitsidihana ny toerana hananganana ny ozinina ihany koa moa. Ny ozinina izay eo amin’ny 13km miala ny seranan’i Ehoala eo ho eo. Niara-nijery sy niara-nidinika tamin’ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Qmm moa izy nandritra izany fotoana izany.
Fa ny tena nahasarika ny mpanao gazety sy ny mpanara-baovao moa dia ny kabarin’ny filoha nandritra izany fitsidihana omaly izany. Nivantana tamin’ny mpndraharaha teo an-toerana aloha ny resaka. Niteny tamin’ny Qmm aloha izy. Fantatrareo fa manana ny zavaboary izay azy manokana i Madagasikara koa miteny aminareo aho tandrovy ny zavaboary. Io teny nivantana tamin’ny teo an-toerana io moa mety ho tsy dia mahasarika ny mpampita vaovao.
Manaraka izany dia niteny tamin’ireo mpandraharaha « privé » sasany izy (izay no filazany azy). Fantatsika rehetra, hoy izy, fa miroborobo fatratra ny varotra petrole eto amintsika. Tsinontsinona eo dia misondrotra ny vidin’ny petrole. Hilaza zavatra roa aminareo aho : voalohany, miakatra (mari-toerana) izao ny sandan’ny vola malagasy. Efa niresaka taminareo ny governeran’ny banky foibe tamin’io toe-javatra io. Nefa dia mbola nakarinareo ihany ny vidin’ny solika.
Faharoa manaraka izany, samy mpandraharaha isika, samy manaraka ny vidin’ny solika iraisam-pirenena noho izany samy mahalala ny vidiny. Tsy hitako izay tokony hampakarana ny vidiny tahaka izao. Samy mahafantatra fa produit sensible ny petrole ka nahoana no tsy niera tamin’ny governemanta akory ianareo tamin’ny fampakarana azy ? (araka ny filazan’ny sasany manko dia mila fierana hatrany io fisindrotana io fa tsy ataotao fotsiny amin’izao). Sa niera taminareo ve izy Atoa praiminisitra ? (tsia !). Eto dia manome baiko ny governemanta aho hifampidinika amin-dry zareo amin’ity raharaha ity.
Ho antsika Malagasy ihany koa dia mila miteny sy miray hina isika, ary maneho ny mahalamagasy antsika. Izany no nampandroso ny Japoney, ny Amerikana, ny Alemana. Nampiseho ny mahamalagasy azy izy (izay no teny disony). Rehefa tsy miteny isika dia manao izay saim-pantany izy. Tamin’ity kabary ity moa dia niverina indray ilay teny hoe « mandehana mody » fa noho ny halakin’ny teny nambarany dia tsy araka mihitsy. Ary dia tsinjoko amin’ny gazety moa fa saiky tsy naharaka ny teniny ny maro. Ilay kabary anefa tsy novakiana fa izay tao antsainy ihany no nambarany.
Miaina ny atao hoe fanatontoloana tokoa isika amin’izao fotoana izao. Na tiana na tsy tiana, rehefa tsy manana fanapaha-kevitra hanakana ny entana avy any ivelany ny fitondrana dia mitobaka eto hatrany ny vokatra avy any ivelany. Mahita anefa aho fa tsy mitarai-tana-miepaka amin’izany loatra ny mpanao asa-tanana na dia ny asany aza no idiran-doza indrindra amin’ny fahabetsahan’ny entana avy any ivelany tonga eto Madagasikara io.
Fonosana vita taretra (na ahitra voatokana), nataon-tanana, nolokoina lokon-taretra ihany koa araka ny fahalalako azy. Fonosana asiana vatomamy vitsivitsy amin’ny andro fanasana amin’ny mariazy indrindra indrindra. Fonosana kely tsy dia manao ahoana no amidy Ar50 na Ar100 isanisany. Mariho tsara fa tsy vokatra orinasa no resahiko eto fa asa-tanana manontolo. Tsy vokatra miranty amin’ny trano mihaja fa mitalapetraka eny amin’ny toerana ankalamanjana natokana ho an’ny mpanao asa-tanana. Dia lasa ny saina : mahavelona ve io amin’izao vidiny izao ?
Izao manko : marina fa ny gazety amin’ny teny malagasy dia misanda Ar100 na Ar200 ihany koa, izany hoe tsy mifanalavitra amin’ny vidin’ireo fonosana itoeram-batomamy ireo. Saingy ny an’ny gazety dia mivarotra isan’andro izy ary an’arivony ihany koa ny vokatra amidy fa tsy mba zara raha hahatratra anjatony toy ny an’ireo mpanao asa tanana ireo. Ny an’ny mpanao asa-tanana dia izay manan-draharaha hifaliana no tena andrasana. Tia mifety ny Malagasy fa impiry no manao vatomamy anaty fonosana ifanomezana ? Tsy maintsy mahafaninana amin’ny vidin’ireo noafaran’ny sasany anefa ny vokatrao.
Dia hoy aho hoe : Andeha tadiavina hatrany ny hampandroso ny varotr’ireto miezaka amin’ny hery sy fahalalan’ny tena no sady tsy te-hiakin-doha ireto e ! Fihetsika tsotra ihany koa sady tsy lafo loatra nefa mety hahafaly ny rehetra na dia ny firenena mihitsy aza. Ohatra : Na dia fivoriam-pianakaviana tsotra aza no atao dia tolotra anatin’ireny haronkely ireny no hanolorana vatomamy ho azy. Raha misy mamangy ihany koa, na mandeha mamangy ka misy ankizy ao dia tolorana anaty vatomamy hatrany no atao.
Angaha moa vatomamy ihany fa mba mikaro-kevitra amin’ny fanolorana zavatra hafa ho an’ny ankizy ihany. Efa hitako tia poketra vita tsotra sahala amin’ireny aloha ny vehivavy (tanora mitovy taona amin’ny tena na somary zandry ihany koa). Miezaka avokoa ny rehetra dia ho lasa tarazo eo amin’ny ankizy efa zajatra mahita ny karazam-panomezana anatina vokatra vita amin’ny asa-tanana ihany koa ny mampita ny fanao amin’ny taranany. Andeha atao hoe nofinofy ihany angaha ny soratako etoana nefa toa azo tanterahina tsara ihany araka ny fahitako azy. Sa ahoana ?
Fitarainana mafy sy azo atao hoe ara-drariny ihany matoa efa mahare ny akony ny fitondram-panjakana amin’ny zavamisy miseho any Taolagnaro na Faradofay izay karazandrazan’ny tendro atsimo atsinanan’i Madagasikara.
Raharaha efa ela nikonokononana moa ny resaka fasimainty any amin’ity faritra ity. Adihevitra tamin’izany ny fiantraikan’ny fitrandrahana amin’ny tontolo iainana sy ny manodidina. Ity fitondram-panjakana ity no tena nanafaingana araka izay azony natao ny fifanarahana tamin’ny vahiny amin’ny hitrandrahana azy. Io fahamehana io no antony iray mety ho tsy nahatsinjovana izay lesoka hiarovana ny mponina amin’ireny faritra ireny.
Niakatra izay tsy izy ny vidim-piainana any amin’iny faritra iny. Izany teny izany no malaza ankehitriny. Voasongony vetivety teo I Nosy-Be tamin’ny fahalafosam-piainana. Toy ny tanàna tsy natao ho an’ny malagasy intsony ilay tanàna. Inona angaha ny antony ? Heveriko fa maika ny hampandroso nanadino ny olona tao aminy ireo izay nifanaraka tamin’ny Qit Minerals Madagascar.
Marina fa niezaka ny hanao lalana sy hikarakara foto-drafitr’asa toy ny fanorenana sekoly ny toeram-pitsaboana ny orinasa izay hisahana ny fitrandrahana fasimainty nefa tsy ampy izany ho an’ny mponina ary tsy misy tombotsoa ho azy mihitsy aza. Saiky adinoko koa moa ny fanorenana seranana nolazaina fa ho lehibe indrindra eto Afrika saingy tsy dia ninoan’ny olona loatra moa izay filaza ho lehibe indrindra manerana an’i Afrika izay. Voalohany tiako lazaina amin’ny tombotsoa tsy miantraika sarambambe, ireo mponina ao dia ho ambin’olona amin’ny fitrandrahana mivantana.
Toa mpiasa avy any ivelany (Ivelan’i Madagasikara aza fa tsy mba hoe ivelan’ny faritra Anosy) no maro an’isa alaina. Heverina ho tsy manana ny fari-pahaizana hitrandraka hiasa ao aminy ireo Malagasy mponina any. Izay dia efa olana goavana tsy nojinery. Tsara raha nametraka fetr’isa farafahakeliny amin’ny mpiasa Malagasy ny fitondram-panjakana. Farafaharatsiny mba ny atsasany ahay no kely indrindra amin’ny avy eto an-toerana fa tsy ho vahiny 100% no hiasa ao. Tokony ho ny ampahaefany raha tena kely dia kely indrindra no Malagasy ao an-tanàna avokoa. Izany aza efa tsy misy dikany mihitsy. Manana adidy hanofana ireo mpiasa Malagasy ny orinasa fa tsy ho faly hitango vola mety hahatezitra ny tompontany fotsiny.
Manaraka izany, malaza amin’izao fotoana izao fa miakatra dia miakatra tokoa ny hofantrano any an-toerana na dia trano hazo tsizarizary aza no ampanofaina. Antony, mazava loatra fa mihabetsaka ny olona tonga any nefa tsy dia ampy loatra ny fanorenana misy any amin’izao fotoana izao. Voalaza fa ny 75%n’ny efitra fiantranoana ao Taolagnaro dia efa karazany onenan’ireo mpiasa efa tonga hikarakara amin’ny fitrandrahana fasimainty. Ny 25% ambiny izany dia ifandroritan’ireo mpiasa mamita iraka any avy amin’ny orinasa hafa sy ireo mpizahatany te-hitsidika iny faritra iny. Tsy mahagaga raha miakatra be ny hofantrano.
Izao anefa, mbola tsy ampy ampahafolon’ireo mpiasa hiasa any Taolagnaro no ao an-toerana amin’izao fotoana izao. Aiza daholo no ametrahana ireo mpiasa hafa ? Eo no tokony hanery ny orinasa ny fanjakana malagasy amin’ny hanorenany trano be dia be hipetrahan’ireo mpiasany farafahakeliny fa tsy hameno hotely fotsiny. Trano manara-penitra fa tsy ho tsizarizary sanatria. Tokony ho hentitra ny fitondram-panjakana amin’io lafiny iray io.
Ankoatra izay moa ny olana amin’ny famatsiana sakafo sy ny zavatra hafa. Eo moa ilay filazana hoe ifaninanan’ny ankizivavy indrindra indrindra ny mividy finday hiaka farany aderadera any ampianarana. Fihetsika manosika ny ankamaroan’ireo mbola zazabodo hivarotena amin’ny vahiny sahady. Aiza moa no hahazoany vola aman’hetsiny vetivety eo ? Dia adino ny fianarana fa ny ravoravo natentina no tena zava-dehibe aminy. Tsy hisy dikany avy hatrany ny sekoly lazaina fa haorina na havaozina. Eriteritra ihany ny ahy na dia izany aza ka raha mihaino (na mamaky) ny ao amin’ny fitondram-panjakana vao maika tsara.
Asa na efa mivoaka an-gazety ity raharaha ity fa tsy hitako amin’ny voalohan’ny pejy amin’ireo gazety hitako teny an-dalana moa. Somary nahavariana raha tsy mba tsikaritry ny gazety ny fisian’ity raharaha ity na dia izany aza ka tena tsy fantany tokoa. Mety ho tsy manana loharanombaovao momba io koa moa ry zareo na dia izany aza.
Ny EPT aloha dia « Engineering pour tous » no fanalavana azy. Ny fahazoan’ny olona azy dia saika ity no nasolon’ny filoha Ravalomanana ny Fid « Fonds d’intervention pour le développement » izay efa nijoro talohan’ny nahafiloha azy. Nieritreritra izy fa olon’ny fitondrana teo aloha ny maro miasa ao amin’ity Fid ity ka tsy nananany fitokisana loatra ilay orinasa. Noho izany niezaka izy nametraka ny olona noheveriny ho azo itokisana kokoa ho hisahana ilay orinasa aloha, dia niezaka ihany koa izy nanao karazana orinasa mirazotra (parallele) hampiasana araka ny tokony ho izy ny vola. Averiko indray, izay no fahazoan’ny olona azy nandritra ny taona vitsivitsy nijoroan’ity orinasa EPT ity. Nampanaovina ny ambinambin’asa fotsiny sisa ny Fid nandritra ny fe-potoana voalohany nahafiloha an-dRavalomanana. Hagagana moa ny an’ny manodidina raha « nizarana » fiara mahazaka lalantsarotra (4x4 na 4WD) ireo mpiasan’ny EPT ambonimbony tsirairay indray maka.
Kanjo dia nisy iny fisamborana ny lehiben’ny Fid nahitsy hoe raharaha EPT no nisamborana azy iny. Teo vao gaga ny rehetra, mbola misavoritaka an-tsain’ny maro ny raharaha hatramin’izao. Tsy fantatra intsony izay tena marina. Ny filoha ve sa Atoa Davida Rajaon no nanangana ny EPT ? Ny filoha sa ny DGn’ny EPT no nanome baiko hampiasa ny volan’ny Fid ho an’ny EPT ? orinasa tena mijoro ara-panjakana tokoa ve ny EPT ? taratra avy amin’izany fa politika avo no miasa ao anatin’izany rehetra izany.
Ankehitriny, nanomboka afak’omaly 17 avrily 2007 dia re fa mpiasa maro ao amin’ny EPT no nampidirina Mandat de dépôt na MD. Eo no mampitombo ny fahagagana. Inona no helok’ireo mpiasa ireo raha mba voafitaka ihany koa izy ? Mety ho nanaraka ny fomba nakana mpiasa tsara no nakana azy ireo. Nandray ny karamany isam-bolana izy nefa hay orinasa zavona (tahaka ny Procoops) fotsiny ity orinasa ity, araka ny fahazoako azy amin’izao fotoana izao aloha. Raha fanadihadiana tsotra ny mpiasa dia aleoko ihany fa ny fampidirana am-ponja ny mpiasa kosa ataoko fa sao dia tafahoatra loatra ?
Ataoko fa noho ny raharaha Rolland Ratsiraka any Toamasina manarona ny raharaha hafa rehetra no mety tsy ahafantaran'ny maro loatra ity raharaha ity.
Ataoko fa mahatadidy ilay hatezeran’ny filoha Ravalomanana isika tamin’ny varotra fampirantiana natokana ho an’ny mpanao asa tanana malagasy Salama iny. Nampanantena ny handoavana ny saram-panofana ny tranoheva moa ny filoha tamin’izany fotoana izany saingy mandraka ity androany toa tsy hita izay tohiny. Nanomboka tamin’iny fotoana iny ihany koa dia tsy nisy intsony ny Salama araka ny fitadidiako aloha. Nanao ny azy manokana amin’izay ireo mpanao asa tanana ireo.
Ny anarana entin-dry zareo ary rehefa miaraka mampiraty ry zareo dia antsoiny hoe Showgasy. Nandritra iny herinandron’ny Paska iny no nihetsiketsehan-dry zareo ary tao amin’ny kianjan’i Mahamasina ambadiky ny Tribune ry zareo no mampiraty ny vokatry ny asa tanana. Maimaipoana ny fidirana amin’izany fa tsy mba tahaka ny « varoboban’i entana sinoa » antsoina amin’ny teny mahazatra hoe Grande Braderie andrombahana ny friperia avy any ivelany izay Ar1000 ny fidirana.
Na dia izany aza dia tsy liana mihitsy ny olona, angamba noho ny fahenoana ny anarana fotsiny hoe Malagasy, fa dia mitovy hoy ny mpikarakara ny isan’ny vahiny sy ny Malagasy mitsidika ary ny zavatra mora entina ihany no vidian’ny olona. Izany tokoa ve no mahamasaka ny fiheverana hoe ny mora tsy mba tsara ka aleo ny mora an’ny vahiny toy izay ny maimaipoana an’ny Malagasy ?
Mety ho diso paika ihany koa angamba ny mpanao taozavatra. Rehefa tsy ny varotra eo no ho eo no azo dia tsara kokoa raha mitady fifanarahana maharitra handefasana ny entana, na handafosana ny entana no ilofosana ka rehefa tsy taitra ny Malagasy dia aleo ny vahiny ihany no ho mpanjifa e ! aleo ampitsiriritiny amin’ny vokatry ny tena ihany izay tsy mbola mahatsapa ny hasarobidin’ny asa voakaly nataon’ny Malagasy.