Atao inona harendrina?

2015-06-25 @ 22:01 in Ankapobeny

Voalohany indrindra dia tsy maintsy mampahatsiahy ny rehetra hoe harendrina no fanoratra azy fa diso ny fanoratra ny hoe arendrina, na dia maro aza ny haino amanjery manoratra tahaka ity farany ity. Manaraka izany, azo lazaina ihany koa hoe fanilo ny anarany. Fahatelo dia hiditra amin'ny resaka manafintohina ny mamaky azy nefa efa maro an'isa no efa manana eritreritra tahaka izany ao anatiny ao fa tsy mamoaka ampahibemaso ny heviny fotsiny izy ireo: tsy misy ilaina azy intsony ny harendrina, indrindra fa raha eto Antananarivo renivohitra no jerena. Aza tezitra na misendaotra fa mamakia anie hatramin'ny farany dia ho hitanao fa ny zavatra nataonao ihany no nanafintohina anao fa tsy ny nanambarako izany taminao.

Eto Antananarivo renivohitra no lazaiko fa tsy mbola miresaka tanàna hafa aho. Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay dia tsy misy intsony ny toerana ifamontoanan'ny ankizy iray fokontany na atao tsotra fotsiny hoe mpiray tanàna. Mety hoe ny mpiara-mianatra any an-tsekoly indray no tena mpinamana amin'ny ankizy ka lasa tsy dia misy ny fifandraisana eo amin'ny mpiray tanàna, nefa tombatombana ihany ity farany ity fa tsy voatery ho marina any amin'ireo faritra betsaka olona mahantra. Ny olondehibe ihany koa tahaka ny tsy marisika ny hifampitaritarika amin'ny zanany na tsy te-hifampihosinkosina amin'ny mpifanolobodirindrina ve? Raha izany no izy dia potika tanteraka ny fiainam-piarahamonina araka ny dikany amin'io teny malagasy io hoe miara-monina. Toa zary mifampiolonolona fa tsy miara-mionona. Mifampijerijery eny an-dalana raha mijerijery fa amin'ny ankapobeny toa samy mody fanina. Efa niova tokoa ve ny fiainana an-drenivohitra?

Rehefa tsy marisika loatra ny hifampitaritarika ary dia lasa toerana iray no ihazakazahana sy ifanontofana itondrana ny ankizy, fa ny zaza raha kely loatra lasa tahotra indray no manjaka ao aminy noho ny fipoapoaky ny afomanga. Mivoaka mialoha eny an-tanàna hamonjy ny toerana ambonimbony hahatazanana ny farihin'Anosy, toerana iaingan'ny afomanga, na amin'ny toerana manodidina ahatazanana azy akaiky indray no lamaodin'ny ray aman-dreny fa tsy mahalala na inona  na inona ankoatra izay raha resaka lanonana ankalazana ny fetim-pirenena no heverina. Fandrik'izany toe-javatra izany anefa dia mihamihena ny fandraisana anjaran'ny olom-pirenena fa  ny hijery fampisehoana indray no mahaliana. Mijery fa tsy mandray anjara. Tsy mahagaga raha sarotra ny mandafo ny harendrina taratasy fa mora kosa ny mandafo ireo haingo mipendrapendrana amin'ny alina fitondra amin'ny alina vitan'ny shinoa.

Fahadisoan'ny mpitondra fanjakana tanteraka anefa no nahatonga izany fiovam-pihetsika teo amin'ny olom-pirenena zary tsy mpandray anjara fa mpitazana izany. Raha raisina pratika dia miharihary ny finiavan'ny mpitondra fanjakana hampanao ny olom-pirenena ho mpitazana fa tsy mpandray anjara eo amin'ny fiainam-pirenena tahaka ny hita amin'ny fetin'ny fahaleovantena izay atrehintsika amin'izao fotoana izao. Maika HIJERY afomanga fa haingon'entana ny Haingo sy Ravaka mipendrapendrana shinoa. Tavela eo izay ankizy tsy misy mitondra hijery afomanga raha mbola mankany amin'ny fivelomany ny ray aman-dreny. Raha mividy harendrina taratasy indray dia ny kelikely mahamay ny tanana satria akaikin'ny afon-dabozia loatra, raha lehibe loatra indray tsy maharaka ny haben'ny ankizy mitazona azy ka mitongilangilana ny fitondra azy.

Zavatra iray mahavariana ihany koa dia manify loatra ny labozia ka vetivety dia lany. Ny fitoeran-dabozia ao anatiny ihany koa dia kely loatra sa efa fantatry ny mpivarotra ve fa ny haben'ny labozia tafiditra eo ihany no zakan'ny fahefa-mividin'ny Malagasy? Rehefa mitondra azy mivoaka sy mirehitra amin'izay moa dia fianakaviana iray na roa na telo, fito raha be indrindra no miarakaraka sy mihirahira eny, hoan'ny eto Antananarivo renivohitra no ambarako eto, dia vita. Raha izaho manokana dia tsy misy "feeling" azoko amin'ny toe-javatra tahaka izany ary tsy mahatsapa tena mihitsy aho fa mankalaza ny fetim-pirenena.

Inona ary ny andraikitry ny mpitondra fanjakana na mpitondra eto Antananarivo ao anatin'io famotehana ny fiaraha-mifaly amin'ny fanaovan-javatra tahaka ny milahatra manao harendrina fa tsy faly ny ho mpitazana fotsiny io? Eto no manana ny anjara toerany indray ny fokontany sy ny mpitondra eo aminy. Tsy misy ve ny baiko midina rehefa tsy mahatsapa mandray andraikitra amin'ny tokony anentanan'ny isam-pokontany sy ikarakarany ny fampilaharana ny ankizy hanao harendrina avy amin'ireo filoha na [hay moa toa tsy misy intsony izany komitin'ny fokontany izany]? Izay tokontany filalaovana somary nalaladalaka taloha koa moa izao lasa misy mamariparitra fa efa lasany ny tany na dia tokony natokana ho toeram-pilalaovana izao aza ilay toerana. Tokony natao ny fanentanana mialoha isan-trano fa amin'ny 25 jona dia misy toerana vitsivitsy iaingan'ny ankizy milahatra manao harendrina ka hifamotoana amin'ny toerana voatokana na toerana malaladalaka iray eo amin'ny fokontany eo dia mba mifaninana manao fampisehoana eo ny isaky ny zana-paritra ohatra.

Efa nisy ny zavatra sy fiomanana tahaka izany teto Antananarivo tamin'ny fahakely (1980, 1985,...) ary ny tanora teo amin'ny fokontany no nitarika ny ankizy na nampianatra ny ankizy amin'izay hatao amin'ny takarivan'ny 25 jona. Karazana afondasy no atao fa tsy mila lampihazo na podium, ny podium amin'ny fijeriko manokana dia sehatra nataon'ny mpitondra fanjakana ireharehana hoe mahavita mindrana mpanakanto andoavam-bola fotsiny, izay mety midika any ambadika any hoe vola mihodina ka mety misy ny vola diso lalana hanatevenana ny fananan'ny tena manokana. Samy finaritra ao anatin'ny lanonana isaky ny fokontany izany na ny ankizy mandray anjara fety vetivety, na ny tanora nampianatra ireo ankizy ka faly fa misy zavatra nataon'ny tena hahatsiarovan'ireo zandry ireo anao, na ny ray amandreny mahita ny zanany manao amin'ny fony madio ny fandraisany anjara amin'ny fetim-pirenena. Ataoko fa mbola tsy lavitra an'izany ireo tanàna maro hafa eto Madagasikara raha tsy fantatra intsony kosa izany eto Antananarivo Renivohitra.

Mifanindran-dalana amin'izany kosa dia foanana ny afomanga fa fandoram-bola fotsiny na raha tsy maintsy atao ihany dia afindra toerana hotontosaina ny alin'ny 26 jona fa tsy amin'ny alin'ny 25 jona intsony satria manimba tanteraka ny ambiansin'ny fety. Any vao miara-mitazana ny rehetra, efa vita ny fanaovana ny fety eo amin'ny ambaratongan'ny fokontany, feno ny fandraisana anjaran'ny rehetra isam-pianakaviana tamin'ny sakafo tao an-trano, niara-nihinana sy nisotro tany amin'ny lapam-panjakana ireo olo-manankaja isan-karazany vao amboaram-pamaranana ny fety ny afomanga. Efa misy fifankafantarana na dia tarehy fotsiny aza farafaharatsiny eo amin'ny mpiara-monina sahirana amin'ny fitadiavana isan'andro na isam-bolana, maresaka ny ankizy vao mijery ny fialamboly atolotry ny fanjakana ireharehany. Fehiny: tsy tokony natao hamonoana ny fanaovana harendrina mihitsy ny afomanga fanatao hanampy azy amin'ny farany fotsiny. Natao ho ambin'ny harendrina ny afomanga fa tsy lasa mivadika toy ny hita ankehitriny ka lasa ambin'ny afomanga indray ny harendrina ka mahatonga azy ho anaran-tsy very araka ny hita amin'izao fotoana. Dia miarahaba anareo rehetra amin'izay nahatratra ny Asaramanitra ka trafonkena ome-mahery izay nolazaiko toe ka am-bava homana am-po mieritra

Jentilisa 25 jona 2015 amin'ny 23:47

 

 

 

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2015 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30        
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox