tantara mahatsikaiky: manenjika sarety

2008-04-30 @ 12:18 in Andavanandro

Noho ny tsy fahafahana firy dia izay sisa voangona aloha no omena ary heverina ho ao anaty fahafinaterana no andafasana ny vaovao. Tsy ilay tantara akory no mahafinaritra fa ny fomba intatarana azy no mba ezahina ho tsy hahasosotra loatra.

Tany amin'ny faritry Betioky any ity tantara mba lazaina ity. Tena nisy ity fa tsy noforonina tsy akory. Nahatsikaritra sarety dimy feno sokatra tsy azo aondrana (radiata) ny zandary sy ny fokonolona ka nanenjika azy ireo. Fa dia tena mandeha haingana mihitsy ireto sarety ireto rehefa natao ny fifanenjehana satria ny iray ihany sisa no tratra, fa ny hafa tsy hita nanjavonana. Tsy fantatro hoe tarihina soavaly ve sa misy maotera ireo sareto ireo... na ny mpanenjika koa no mandeha an-tongotra maka aina isaky ny telo kilaometatra. Fa dia nahatsikaiky ahy ihany aloha ny nandre ilay izy e! izaho izay vao haingana no nanoratra hoe "hakalin-tsarety" ity.

 

Rohman: Mampirevy an!

2008-04-27 @ 13:37 in Toekarena

Manahirana ity siosion-dresaka ity an! Dia lazaina fa nampirevy ange, hono, ianao teny Ambohimanambola omaly sabotsy satria nitombo 14 volana indray ny fotoana itantananao ny jirama e! Dia hoe miditra indray izany, hono, ny saosy anjatony tapitrisa miditra aminao isam-bolana nefa ny olana jirama manerana ny faritra ity malaza dia malaza sady toa tsapa fa hitombo aza noho izao fiankinana tanteraka amin'ny solika avy any ivelany izao e! Soa ihany aloha fa tsahotsaho nefa aza hitako tena marina!

eisy aho eee

Lisitry ny Loholona notendren-dRavalomanana

2008-04-26 @ 12:16 in Politika

Didy hitsivolana laharana 2008/426 nivoaka androany 26 avrily 2008 no namoahana ny anjara tinendrin’ny filoha Ravalomanana amin’ireo loholona vaovao. Ireto avy ireo 11 voatendry ireo:

1 - Noel Rakotondramboa izay niandraikitra ny fanomezana mari-boninahi-pirenena.

2 - Jly Charles Sylvain Rabotoarison minisitra teo aloha (tontolo iainana)

3 - Tovonanahary Rabetsitonta

4 - Ruffine Tsiranana

5 - Johanita Ndahimananjara teraka Randrianarison

6 - Jean Baptiste Randriamaro

7 - Eliane Rosa Naika (sa Nike?)

8 - Pastora Rabenorolahy filohan’ny Fiangonana Loterana Malagasy teo aloha.

9 - Réné Razafiarison

10 - Raymond Ramandimbilahatra (Mox mpanolotsainan’ny filoha teo aloha?)

11 - Mosa Tahiry

Miala tsiny amin'ny hery raha efa nahasoratra tany aminy aho satria tsy nety nivoaka mihitsy ity tamin'ny mozilla androany fa naninona ary?

 

Tandrovy ny teny malagasy: fanagasiana, anaran-tsamirery

2008-04-25 @ 05:08 in Ankapobeny

Ity lahatsoratra ity dia ao anatin’ilay lalao iraisan’ny mpamaham-bolongana teny malagasy mitondra ny lohateny amin’ny ankapobeny manao hoe : “Aza ampijaliana ny teny malagasy”. Na dia efa elaela ihany aza izy io no natomboka ataoko fa mbola ao anatin’ny iray volana fanatanterahana azy indrindra aho amin’izao fotoana izao. Na tratra aoriana aza moa tsy mampaninona izany fa fanabeazam-boho ny fahalalàna ny teny malagasy rahateo.

 

Miompana amin’ny anaran-tsamirery ny bolongako amin’ity taranja ity. Asa na noho ny tsy fahalalana na noho ny fahadisoana fanaon’ny haino aman-jery omban-gazety matetika fa betsaka ihany izany fahadisoana amin’ny anaran-tsamirery izany. Ny olana angaha dia ny mety ho fanagasiana ny teny vahiny. Raha manoratra ny anaran’i Europe amin’ny teny malagasy aho ohatra dia misolo o ny u amin’ny ankapobeny. Noho izany dia lasa Eoropa no fanoratra azy. Toy izany ihany koa ny amin’ny Eucharistie lasa Eokaristia, ary satria moa tsy misy u ny soratra Economie dia mijanona ho ekonomia izany fa tsy lasa eokonomia tsy akory. Ny Euclidien lasa Eoklidiana ( Eoklideo aza saingy...) fa tsy Eklidiana.

 

Ny mampihomehy amin’ity raharaha ity indray raha eny antenantenany no misy ny “eu” dia tsy mety voapetraka ny fenitra tokony ho izy. Raha mandray ny Recteur na docteur na professeur isika dia misy ny fisaritahana. Recteur lasa rektora amin’ny ankapobeny (noho ny teny hoe rectorat ve?) nefa ny docteur lasa manao hoe dokotera (nefa misy tsara ny teny frantsay manao hoe Doctorat fa tsy docterat); hany ka samy lasa mety avokoa ny ny profesora na ny profesera. Nefa dia manavia antsika indray na ny hanoratra na ny hamaky izany teny hoe dokoteora na rekteora na profeseora izany raha jerena izay efa nosoratako eo ambony.

 

Manaraka izany amin’ny anaran-tsamirery ihany, noho ny fifanarahana amin’ny ankapobeny eo amin’ny fanoratra sy famaky ny teny malagasy fa moana ny zanatsoratra farany ankoatra ny teny mivany tokana,ankoatra ny zanatsoratra e dia tsara kokoa raha zanatsoratra roa mifanaraka no mamarana ny anarana manana tsindrim-peo any amin’ny faran’ny vaninteny. Ohatra raisiko voalohany ny anarana Tirike dia tsy vakiana akory ny zanatsoratra e farany fa toy ny mamaky azy hoe “tirk” ihany ianao. [manomboka amin'ny soramandry moa dia efa misy io voalazan'i eprom io fa hoy aho hoe tsara kokoa raha...: Noho ny izany raha manoratra ny Japonais ianao dia tsara ny manoratra azy hoe Japoney (na japonea saingy tsy fahita loatra) fa tsy Japone satria raha ity farany dia lasa toy ny mamaky hoe Japonn ihany ianao. Toy izany ihany koa raha Malais mizotra ho Maley fa tsy male na Gabonnais lasa Gaboney na Gabonea fa tsy Gabone. Na Srilankais lasa srilankey fa tsy srilanke. Ireo roa ireo ihany no tsaroako eto ampanoratana nefa ataoko fa mety ihany io anjara birikiko io, amin'ny anarantsamirery avy amin'ny teny vahiny io].

 

Nefa misy koa ny somary mahatsikaiky ahy manokana, misy ny teny hoe materiel ary misy ny teny hoe logiciel, ahoana ny soso-kevitra amin’ny fanagasiana ireo hoy ianao? Materialy sy lozisiely satria misy ny tsy mety manaiky ny teny hoe rindrambainga sy rindrambaiko (DotMG moa nanitsy hoe rindrankajy ary efa izay ihany koa no nosoratako teto voalohany saingy voatery nanova ihany aho noho ny torohevitry ny mpahay manokana ny teny malagasy [Di... na Rahaingoson Henri]).

Diego: Hadalana ny hamerina ireo zaza mania any amin'ny ray aman-dreniny

2008-04-24 @ 10:32 in Andavanandro

Nanana ny akony teto amin'ny firenena ny heloka vitan'ny tanora sasany tao Antsiranana tao, ka nahatery ny mpitondra fanjakana nanao azy ho vaindohandraharaha tamin'ny fiandohan'ity taona ity. Atao hoe zaza tsy ampy taona manko nefa dia efa nahavita hatramin'ny namono olona mba hahatafiditra izay vaovao amin'ny fikambanana Foroche sy Pirates ho kazaran'ny batisan'izy ireo. Raha tazanindavitra dia hita fa saiky karazana maffia tsy mitsitsy mihitsy no natsangan'ireto andian'olona nampihorohoro ireto. Voatery nalefa lavitra ny toerana misy azy ireto zaza mania ireto ka ny tsy ampy taona dia tany Anjanamasina distrikan'Ambohidratrimo no natoby.

Efa hatramin'ny fisamborana ireto zaza ireto no nimenomenona ny ray amandreny fa hainy ny mifehy sy mitaiza ny zanany ka tsy mino izy ireo fa nahavita izany heloka bevava izany ny zanany. Ny fantatra aloha dia nangingina ny resaka karazana fampihorohoroana hatramin'ny namindrana ireto zaza ireto raha i Diego manokana (ny tanàna fa tsy ny faritra DIANA) no lazaina. Amin'izao fotoana izao indray dia re fa hilahatra an-dalambe ny ray amandreny hitakiana ny zanany hody any an-toerana. Fitiavan-janaka tokoa angaha izany. Ny hany manjavozavo amin'ity resaka ity dia ny fitakiana fototra: Takiana hivoaka ny fonja hody any amin'ny ray aman-dreniny ve sa takiana hogadraina any amin'ny fonja any? Raha nisy fitarainana nataon'ny ankizy nania amin'izay tsy rariny mety ho anahazo azy ireo ataoko fa mety hisy rariny ihany izany...saingy amiko karazany sazy ihany ny fanaovana azy ireo an-tsesintany.

Mananjò ny ray amandreny hitsidika ny zanany na dia efa nahavita hatramin'ny famonoana olona aza izy ireo, saingy amiko manokana matoa nafindra toerana izy ireo dia ny mba ho lavitra ny fanalokalofana ataon'izay mety ho lehiben'izy ireo mety tsy mbola voasambotra sy ny fahitana fa sarotra arovana ny fonja any Diego. Manaraka izany ny ampy taona kosa tsy ananany zo hitakiana ny handefasana azy any noho ny fonja manokana ho an'ny olona tena atahorana mbola tokana dia any Tsiafahy. Na hilahatra fahazato faharivo aza izy ireo rehefa any Tsiafahy dia any izany. Tsy nisy olona avy any amin'ny faritra atsimon'i Madagasikara raha nanana namana na tapaka nigadra tany Nosy Lava ka hitaky hoe avereno aty ireny olona ireny no higadra fa tsy any.

Farany, lasa ny eritreritro manao hoe ho an'ny tsy ampy taona anie ka tompon'andraikitra ihany koa ny ray aman-dreny ka tokony hisy sazy ho azy ireo koa e! sa tsy misy izany moa amin'ny lalàna? Izay angamba no mahatonga azy ireo hihetsiketsika tahaka izao ka mahatonga ny olona sasany hiteny hoe ilay fiarovana ny zon'olombelona toa ny mpangalatra sy ny mpamono olona ihany no tena arovany fa tsy misy iraharahiana izay norobaina sy novonoina mihitsy.

 

Mampiseho ny vanginy amin'izay ny Rio Tinto

2008-04-22 @ 11:57 in Toekarena

Mety ho tsy manaitra antsika loatra ny lohateny nefa ny zavatra nataon'izany orinasa goavana izany tany Amerika latina no nanaitra sy nampisy izany Ché Guevara nalaza tamin'ny fitolomana mitam-piadiana sy nantsoina hoe revolisionera. Nanaitra ny hambom-pon'io lehilahy io ny natao tamin'ireo mponina nanjakazakan'ny mpandraharaha sy nataony ho toy ny tsy manan-jo mihitsy.

Manana ny sampany eto Madagasikara ankehitriny io orita io dia ny Qit Minerals Madagascar izay miorina any Faradofay izany. Nampilendalendaina tamin'ny karama ambonimbony sy ny karazana tombotsoa samihafa aloha ny gasikely tamin'ny voalohany. Efa nisy ihany ny fotoana nanoratako teto fa tokony hanorina trano ho an'ny mpiasa izy ary notanterahiny moa izany.

Ankehitriny mivadika ny tantara, nitaraina tamin'ny haino aman-jery ny mpiasa ka nomarihiny fa nofoanan'ny orinasa ny tombotsoa azo rehetra teo aloha ary nisy aza no nampidinina ny kilasiny. Raha nomena trano ny mpiasa dia lasa nampanofaina avo dia avo indray izany trano izany, ary hita hoy ny mpiasa fa ny hamerenana ny  vidin'ny fananganana ny trano mihitsy no atao ka ny mpiasa ihany no mandoa azy nefa tsy ho lasan'ny mpiasa akory ny trano avy eo.

Dia sanatria ve hiverina ny tantara ka ho tonga indray ny fanimbazimbana ny mahaolona ny mpiasa? Aza misy anie izany!

 

Renareo ve? 40 000 000 eo ho eo ny Malagasy?

2008-04-21 @ 20:16 in Ankapobeny

Izay nanaraka ny haino aman-jery omban-gazety dia mety ho nahatsikaritra antontan’isa mahavalalanina avy amin’ny zavatra nampitaina nandritra ny tontolo andron’ny alatsinainy. Mazava loatra fa misy ny fampitam-baovao tsy nety na tsy nifampitohy tany ananonanona tany.

 

Vehivavy 8 900 000 no ho voakasika amin’ity herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ity, hoy ny lohatenin’ny gazety malagasy iray. Raha vao mandre izany ianao dia olona efa hiteraka no mby ao an-tsaina fa tsy ho tonga dia any amin’ny zazavavy vao teraka mihitsy. Mandeha ho azy ihany koa ny petrakevitra: ny vavy ihany ve no isaina mandritra ity herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ity fa tsy isaina ny zazalahy entin-dreniny? Mba hafa ihany koa izany fanisana izany. Heverina noho izany fa olombelona vavy efa maoty hiteraka no tian’ny gazety lazaina amin’ny vehivavy 9 000 000 latsaka hotratrarina io.

 

Any amin’ny vaovao an-tsary any indray nisy niteny hoe zaza latsaky ny 5 taona 9 000 000 no kendrena amin’ity herinandro efa voasoratra lavabe eo ambony io. Henjana izany ry zalahy sy ry zavavy! Ny vehivavy (efa maoty) sy ny zaza latsaky ny 5 taona fotsiny no efa 18 000 000 sahady! Andeha mody atao hoe 9 000 000 ihany koa ny isan’ny lehilahy efa maoty noho ny fifandanjana tsy mifanalavitra eo amin’ny isa. Ataovy amin’izay ny fanisana fa 27 000 000 sahady izay. Ny ampahan’isa tsy tafiditra sisa dia ny zaza 6 mandrapahatonga amin’ny fahamaotiana (12 taona eo ho eo ho an’ny sipakely ary 14 kosa ho an’ny bandikely). Andeha mody atao hoe 9 000 000 monja ihany koa ny isany. Ô lehiretsy! Izany ve tsy efa mananontanona 40 000 000 e?

 

Iza indray ary no be resaka mahatonga izao fanisana tsy izy mihitsy izao? Angamba fitadiavam-bolan’ny sasany amin’ny fanatavezana indray izao. Mampahatsiahy ny kabarin’ny filoha Ratsiraka indray maka izay rehefa nifampiarahaba ny Asaramanitra izy hoe “raha jerena amin’ny tatitra voaraiko momba ny fambolen-kazo amin’ny velarana isan’hekitara voavoly dia feno zanakazo mbamin’ny ranomasina noho ny fahazotoan’ny Malagasy! Karazam-panesoana ihany anefa no nataony tamin’io. Eisy aho e!

 

Ho afa-miditra soa aman-tsara ve raha mbola misy gazety vaovao?

2008-04-21 @ 13:47 in Kolontsaina

Efa bebe ihany izay ny gazety eto amin'ny tanàna izay raha mitovitovy daholo ihany izay ambarany, ka jerena avokoa ny lohatenim-baovao avoakan'izy ireo. Dia lasa ny saina mieritreritra hoe mety hahazo mpanjifa ve raha mbola misy gazety vaovao mivoaka indray? na gazety mivoaka isan'andro io na gazety mivoaka isa-kerinandro. Ahoana ny mety ho eritreritrao ho takelaka mbola banga eo amin'ny tontolon'ny fanaovan-gazety malagasy ka hahatafitra izay vaovao mikendry ny hahomby na ho tafiditra soa aman-tsara na hahaliana ny mpamaky ny zavatra avoakany? Ny vaovao amin'ny teny malagasy no tsara kokoa sa ny vaovao amin'ny teny frantsay?

 

Antitra mampiady kalo ka ny antitra antitra ihany

2008-04-20 @ 20:58 in Kolontsaina

Loza mihitsy ity fiakinandoha amin’ny aterineto ity, fa tsy hay kosa aloha izy ity na mahadomelina na mandranitra. Nieritreritra ny tsy hikitika solosaina aty an-trano mihitsy aho androany alahady, fa tsy maintsy mikirakira azy mandritra ny fotoam-piasana, ho karazana fialantsasatra saingy e-he, nipololotra indray ny aingam-panahy. Revo tamin’ny fandaharana Anim’Artista na dia tsy ampy atsasak’adiny akory aza izay nojerena. Avela any ny filoha sy ny fahatezerany tany Toamasina amin’ny “asa tsy mandroso” satria rehefa dinihina toa noho ny tsy nahazoan’ny Alma (Asa Lalana Malagasy) ny tsena no mety ho ao ambadika ho fanomanana ny saina rehefa tonga ny fotoana esorina amin’ny Shinoa ny tsena dia omena ny orinasany.

 

Fandaharana mandeha isan’alahady alina ao amin’ny tvm ity Anim’artista ity. Ny mampiavaka azy dia artista no asaina nefa artista ihany koa no manentana, na manasa sy manontany ny vahiny, tsy adino (samy hafa amin’ny noadinoina) anatin’izany ny talentan’ny nasaina fa mandravaka ny fandaharana eny ihany. Tsimialonjafy tokoa ny fandaharana satria hita ao avokoa ny karazam-boninkazon’ny kanto malagasy amin’ny ankapobeny avy amin’ny lafy valo sy isa-taranaka ihany koa, na tanora vao misondrotra io na ny efa antitra mitezotezo.

 

Mpanao vako-drazana ela nihetezana fantatra kokoa amin’ny anaran’ny tarika no nasaina tao dia ny tarika Ny Voninavoko izany, ary tao mazava ho azy ny lehibe nanorina azy dia i Dadagaby. Efa be taona tokoa saingy tsy manaiky gisitra haneho ny talentany. Tsiriry ahitra ve? Raozy mavokely? Sa Zanak’Iarivo? Santionan’ny hira ahafantarana ny Voninavoko izany. Mety ho efa nokaloinao ny hira aza saingy tsy fantatrao izay tena mpihira azy. Fa raha mpihira ny ampahan’hira firedon’ny mpijery fanatanjahantena Malagasy mpamelombelona ny iô! Iô! iô ôhô! Ianao dia tsarovy fa nosintonina avy amin’ny hira mitondra ny lohateny hoe raozy mavokely ianao izay.

 

Fa inona no nahatery ahy hanoratra noho io fandaharana io? Malaza dia malaza eto amin’ny tanàna amin’izao fotoana izao ny hira mampandihy fitombenana. Izay mihetsika iray dia io fipelipeliky ny malesa io no hisintonana mpijery. Manao azy avokoa ny bodo sy adala rehetra io hany ka na dia ry Francis Turbo sy ny Gothlieb aza boboka tanteraka, nampisy adihevitra azy ireo tamin’ny mpihaino mihitsy moa ny nilazan’izy ireo ny heviny momba ny dihy ankehitriny io. Rehefa be loatra tokoa anie ny sira mampangidy e! Endrey kosa fa hay tena misy fahafinaretana ny mahita dihy tsy ahitana io fampandihizana fitombenana io mihitsy. Revin’antitra ve izany? Raha izany dia efa antitra mihitsy aho.

 

Nahatery ahy hanoratra ihany koa ny mahatsapa fa tsy hahavory olona firy (eto an-drenivohitra) mihitsy ny mpanao vakodrazana raha hanao fampisehoana fa na izany aza dia misy ny lalana ahafahana manampy ireny mpanao vakodrazana ireny. Tsy hevitra vaovao fa fahita ihany rehefa misy ny fanasana amin’ny fampakaram-bady ka tiana hakotroka ny raharaha. Mba manasà ry zareo mpanao vakodrazana rehefa misy fotoana lehibebe hampisehoana amin’ny taranaka ho avy fa misy anie ny karazan-dihy an’ny Malagasy izay tsy mba mandeha amin’ny haino amanjery loatra e! Asehoy ny zanatsika fa manana izay antsika madio mangarangarana ihany koa isika malagasy na dia saiky ireo sarangan’ny tsy mpigalabona loatra aza ny ankamaroan’ireo mpanao vako-drazana ireo. Famporisihana azy ireo hanohy ny fitandroana ny kazarankira ihany koa ny fanomezana valinkasasarana ho azy ireo satria fandaniana ihany koa anie na dia ny mitondra olona maromaro aza e!

 

Toamasina : Tezitezi-poana indray Ravalomanana

2008-04-19 @ 20:05 in Toekarena

Reko tamin'ny atoandro avy tamin'izay naheno ny fahatezeran'ny filoha Ravalomanana raha nandalo tao Toamasina Andrenivohitra ekonomika izy, alohany hiondranany any amin'ny nosy Maorisy, ka nahita ny tsy mbola nahavitan'ny lalana tao. Misy ny lalana efa migodana lasa mampatahotra araka ny tatitra nataona mpanao gazety satria mirimorimo avokoa na ny fiara na ny posy-bisikileta mianoka ny hatsarany. Izao anefa, sady montotra ny lehilahy no niteny mihitsy hoe "tsy faly aho" fa mihisatra araka ny fijeriny azy ny fanamboaran-dalana.

 

Nanome baiko aho tamin'ny Paska (izany hoe mbola tsy ampy iray volana izay) nandalovako taty farany  ny amin'ny hamitana haingana dia haingana (izany hoe atao tsy maharitra ve izany ny zavatra vita satria ny vita haingana sarotra mateza?) ity fanamboaran-dalana eto Toamasina ity. Tsy hitany akory izay fandroson'ny asa. Izaho kosa aloha mieritreritra fa sarotra ho an'ny Shinoa ny hametraka foto-drafitr'asa tsara orina ambony fasika e! Tsy vitan'ny baiko hoe "misia...lalana" manko izy ity dia misy ny lalana. Nanome baiko indray ny lehilahy fa tsy maintsy vita ao anatin'ny tapabolana io fanamboaran-dalana io. Ilay Shinoa voakiana moa nihomehy fotsiny (angaha moa mahazo mihomehy ny Shinoan'ny Tanibe?).

 

Ny tao an-tsaiko indray moa dia nipaka tamin'ny hoe iza indray no ho voadaka eo amin'ny toerany? Sa iza indray moa no minisitra "coach" ny faritra misy an'i Toamasina? tsy tadidiko intsony na Analanjirofo no misy azy na Atsinanana. Sa ho sahy hanala ny Shinoa amin'ny fanaovana io lalana io ve izy tsy hovaliany amin'ny tsy fanamboarana ny trano fandraisam-bahiny miezinezina ao Ivato kasaina hovitaina handraisana manam-pahefana ambony mandritra ny vovonan'ny (fivoriana faratampony) filoham-pirenena sy filoham-panjakan'ny Firaisambe Afrikana (2009)? Angamba izany koa no efa nieritreretana hananganana Tranomihaja 50 nolazain'ny minisitry ny asa vaventy sy ny fitaterana tamin'ity herinandro ity.

 

Fa mahalasa eritreritra ahy ihany koa fa mailaka dia mailaka izy mitsikera mivantana (fa tsy sahin'ny mbs nalefa intsony ny alin'ny Asabotsy ny sary sy ny nitenenan'ny filoha, tatitra sisa no natao raha nalefa kosa izany tamin'ny tvm) izay tsy fetezan-javatra nisy tany Nosy Be na mampiovaova matetika ny delegasioona ao, sy izao any Toamasina izao ka iandrasan'ny maro izay ho tohin'ny raharaha... fa tsy mety hitany mihitsy ny tsy fahavitan'ny tsenan'Asabotsy Antsirabe Antampontanana efa mitarazoka dimy taona izao. Toa tsy raharahany akory fa misy fandravana trano manamorona iny lalam-pirenena iny nefa dia tsy onerana izany na dia ariary aza satria "baikon'ny filoha" ny fandravana. Rehefa anehoan'ny vahoaka amin'ny alalan'ny fifidianana ny tsy fahafaliany anefa dia izy indray no tezitra.

 

Atao inona io tabilaom-pifidianana io?

2008-04-18 @ 15:53 in Politika

Misy fotoana mivezivezy amin'iny faritra Ankadikely Ilafy iny aho. Manaraka ny arabe aloha no aleha. Rehefa mandalo ny lapan'ny tanàna na biraon'ny kaominina angaha dia mahita tabilaom-pifidianana misy sarina kandidà saingy efa mihitsankitsana avokoa ny afisy eo aminy ka tsy hita tsara ny sary. Talohan'ity fifidianana ho loholona ity anefa tsy mba tsikaritro mihitsy ny fisian'izy io. Lasa avy hatrany ny eritreritro: Mihevitra izany ny olona ato fa misy mpifidy vaventy mandalo mandrakariva amin'io faritra io matoa napetraka teo io tabilaom-pifidianana io. Natokana ho an'olona firy moa izy io sa ilaina ampahafantarina ny olon-drehetra satria fifidianana io na dia tsy fidian'ny be sy ny maro aza?

Ny fampielezan-kevitra mandeha amin'ny tele aza efa gohina na tiana na tsy tiana fa dia toa mahatsikaiky ihany ilay tabilaom-pifidianana heveriko fa diso toerana. Ny fampisehoana tsy azo atao amin'io alahady io ihany no hanamarika amin'ny olona fa hay ve misy izany fifidianana izany. Efa ela aho no te-hanoratra ity fa tsy maintsy androany satria karazan'ny andro farany amin'ny fampielezan-kevitra manko.

Tonga eny Ivato i Rossy [edit]

2008-04-17 @ 05:10 in Kolontsaina

Araka ny antso an-tarobia nataon'ny mpanakanto Rossy avy eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato dia tonga eto an-tanindrazana ny lehilahy amin'izao fotoana izao. Tamin'ny ora nanombohan'ny fandaharana kidaona maraina moa no niantsoan'ny lehilahy. Nolazainy ary fa miaraka amin'ny tarika miaraka aminy izy ka ny dimy dia teratany vahiny ary ny dimy hafa kosa dia malagasy. Milaza mbola hiresaka amin'ny tompon'andraiki-panjakana moa izy satria hajaina ny mpitondra fanjakana hoy ny tenany. Asa rahoviana izany no hotanterahina ny fampisehoana ataony eto an-tanindrazana?
Ny fanampim-baovao nataon'ny mpanao gazety no nandrenesana fa ny hihaona amin'ny filoha Ravalomanana no tanjony voalohany. Karazany tampoka ihany izao fahatongavany izao ka mety tsy hampino anareo nefa dia ren'ny mpihaino rehetra io. Marihina fa tsy misy tokony idiran'ny zavatra hafa ankoatra ny zavakanto ity resaka ity, ary zavakanto irery ihany.

 

fjkm Itaosy: Saiky simban'ny mpangala-jaza

2008-04-14 @ 15:34 in Andavanandro

Mpiara-miasa amiko no mitantara ity zavatra nitranga tao amin'ny fjkm Itaosy (tompon'anarana) tamin'ny alahady 13 avrily lasa teo ity. Raha vao niditra tao amin'ny faritry ny fiangonana ny mpitandrina dia nahatsikaritra olona maromaro (lehilahy avokoa) nijorojoro teo ivelany teo. Tsy nisy nanao akanjo velondrirana ry zalahy. Nanontany azy ireo ny mpitandrina hoe manao inona eto ianareo? dia novaliany fa vahiny avy any Antsirabe izy ireo ka mba hiangona. Raha izany, hoy ny mpitandrina, dia tonga dia mandrosoa fa mbola be ny ho avy ka sao mifanelingelina amin'ny lalana. Dia namaly izy ireo hoe andraso aloha fa mbola be dia be izahay no ho avy. Dia lasa ny mpitandrina.

 

Avy eo nisy ankizy maromaro nifanao fanenjika nanodidina ny fiangonana.Tsitapitapitr'izay nisy ankizy tokony ho fito taona nihazakazaka nankany amin'ny biraon'ny fiangonana nilaza fa nisy nitondra any ny zandriny. Taitra ny tao ka nihazakazaka niparitaka nitady ny zaza teny amin'ny elakelantrano avokoa ny lehilahy. Ny diakona amin'io miaraka amin'ny raoby no mivezivezy any rehetra any. Nahatsiaro an-ry zalahy nijorojoro tampoka ny mpitandrina.

 

Nanditra izany fotoana izany, tahaka ny hoe nahazo antso ry zalahy nitondra ny zaza, navelany tany akaikin'i Behenjy (Itaosy) avokoa ny zazalahy efatra nalaina, ka ny telo amin'ireo dia zanak'olona iray avokoa. Niteny tamin'ny tao ampiangonana amin'izay ny mpitandrina hoe "eo akaikinareo avokoa ve ny zanakareo?". Nipararetra avokoa ny iray fiangonana rehefa nahare. Tsy nisy niditra tamin'ny fiangonana intsony ny sain'ny maro. Toy ny very saina ny rain'ny zaza nahita ny zanany nentin'ny olona niverina avy any. Niteny moa ny mpitandrina fa mbola misy namany ao ampiangonana matoa navotsotra tampoka ny zaza saika nalaina.

Fakafakao: Aza terena handray fanapahan-kevitra...manohitra vahoaka!

2008-04-13 @ 12:58 in Politika

Mahavariana ny tenin'ny filoha RAVALOMANANA Marc raha nitafa tamin'ny mpanao gazety izy teny ampahatongavana teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena teny IVATO.

Asa na hevitra nomasahana tao anatiny tao na fitadiavana hiala amin'ny fanontaniana efa niomanan'ny mpanao gazety fa indroa izy no niteny hoe :"Aza terena handray fanapahan-kevitra mifanohitra amin'ny tombontsoam-bahoaka aho!". Anisan'ny namaliana ny antony tsy namelana ny hanatontosana ny fampisehoan'i Rossy manko io teny io. Mampieritreritra ahy io fomba filaza io.

Voalohany, izy ihany ve izany no mpanapa-kevitra amin'izay antsoina hoe tombotsoam-bahoaka? Sa heverina tokoa fa mety hiteraka fanakorontanana eto amin'ny tanàna tokoa ny fanatontosana ny fampisehoana anankiray nandrasan'ny mpankafy azy hatramin'ny ela? Lasa any amin'ny baolina fandaka ihany koa ny eritreritro avy eo: mazava izany fa fanapahan-keviny ihany koa io fanafoanana ny FMF io. Manahy ny mety hisian'ny korontana ve izy sa ny fialambolin'ny sarambambem-bahoaka mihitsy no tiany foanana?

Faharoa, angaha moa misy manery azy hanao izany fanapahan-kevitra manohitra ny tombontsoam-bahoaka izany? Raha ahenany tapabolana ve ny zon'ny mpiasa hiala sasatra isan-taona dia tena mino tokoa izy fa izay ilay tombontsoam-bahoaka? izay marina ilay antsoina hoe mpanao politika an! ny tombotsoany no lazainy hoe tombontsoam-bahoaka! Efa sitrapo mihitsy izany fa tsy fanerena mihitsy.

Dia aleo aloha atsahatra fa afa-manohy ihany koa ianareo raha te-hanohy!

Halakin-tsarety

2008-04-12 @ 13:01 in Andavanandro

Tena sarotra tokoa ity teny malagasy ity. Marina fa haiko ihany ilay izy saingy ny manahirana ahy dia hoe azon'ny olona ve izay soratako? Io lohateny io izay ahiako fa tsy azon'ny atsasak'izay mamaky. Aleo soratana ihany izay mety ho dikany na tsy dia haiko loatra aza ny teny frantsay:" Vitesse de la charette". Lava be raha toa ka soratako hoe hafainganam-pandehan-tsarety sady sao voakiana mandrakariva fa tsy mety ho fohy mihitsy ity teny malagasy ity.

 

Ny fiainana andavanandro eto Antananarivo no lazaiko amin'io. Tsy ho an'ny maika mihitsy eto amin'ity tanàna ity fa manaraka ny onjan'ny tsy mahara-dalana eny isika rehetra. Ny lalana tery nefa ny sarety tarihina tsy ho afa-mihazakazaka mihoatra noho ny fiara mitandrahatra efa tsy mampaneno anjomara intsony. Dia toy izany ihany koa eny amin'ny lalan'ny mpandeha an-tongotra, efa terin'ny mpivarotra fa ny mpiantsena koa tsy azo terena handaha haingana mihitsy. Ianao no tezitezi-poana irery raha vao maneho tsy fahafaliana ka mety hahazo ny teny hoe fa vahiny avy aiza koa angaha ity?

 

Dia toy izany koa ny fiainana ankapoben'ny Malagasy. Toa tsy miraharaha no fijery azy. Hafa ny lalàna mifehy ny mpiara-monina. Toa tsy natao ho an'ny maika eto amin'ity tanàna ity. Manaraka ny dian-tsarety ny fiara hafa rehetra ka tsy mahagaga loatra raha taraiky lalandava isika amin'ny ankapobeny. Fomba fihevitro ihany anefa izany fa anjaran'ny tsirairay ny mieritreritra.

Moov Madagascar: Mba ilazao ny fiovana fa aza mamely tampoka e!

2008-04-11 @ 14:43 in Ankapobeny

Noho ny antony manokana dia voatery nampiditra izany aterineto izany any an-trano ny tena. Tsy afaka ny tsy afa-manao famandrihana isam-bolana izany ny tena fa izay takatry ny tena aloa mialoha ihany no ezahina itsitsiana. Tsy henoko loatra ny hatsara na haratsin'ny vokatra hafa fa dia izay efa misy milaza mialoha ihany no azo idirana e! Dia izay no nahatonga ny safidy ho any amin'ny moov aloha.

Ny azo ihafiana ihany moa no nidirako sady rehefa mahita ny karatra hoe 10 000ar ahazoana mivoivoy mihoatra (izay aloha no fahazoako ny + e) ny 5 ora. Tsy nahita ny 20 000ar mihitsy ny tena satria vitsy hoe ny mividy ireny ka tsy sahy maka ny mpivarotra. Mahihitra ihany ny tena ka dia noraisiko naoty sy natambatro tsara ny saran'ny efa lany. Efa nisy nahavariana ahy manko ny fahalaniany vetivety. Iny fa 4 ora sy sasany no lany dia tsy manana sanda azo idirana aterineto intsony, hono, aho. Tsy maintsy tezitra ny tena satria tsy vita akory izay natao dia tapaka ny fifandraisana.

Nankao amin'ny masoivoho tao Analakely aho nanadihady kely sy nilaza ny fahagagako nahalany sahady ny sara miandry. Dia namaly ny mpandray fa raha ora malalaka no 5 ora  fa raha amin'ny ora feno kosa dia 2 ora sy sasany iny dia lany. Eo aho vao gaga. Nisy fisondrotana ve sa izany hatramin'izay? ny tena manantena fidinambidin'ny sara nefa hay miakatra izy ity. Dia hoy aho an'eritreritra hoe tsy adalan'ny mpanolotra antsom-pifandraisana anie ny miteny mialoha ny fisondrotana sa mbola vitsy loatra ny manana aterineto any an-trano ka tsy mendrika ampilazaina mialoha? Dia milaza aminareo namana eto Madagasikara io valinteny azoko io aloha aho sao mbola misy tsy mahalala isika.

Miezaka ny manodin-dresaka ny fanjakana?

2008-04-10 @ 13:13 in Ankapobeny

Na dia tsy mahara-baovao firy aza dia misy ihany ny kely izay fantatra. Ohatra iray amin'izany misy ny fivorian'ny fanjakana Karana amin'ny mpitondra Afrikana. Indro ny filoha Malagasy fa mihazakazaka ho any Alemaina...toy ny manivaka mandeha irery. Tsotra kosa aloha no mety ho antony e, mba tafaraka sary tamin'ny chancelière aloha. Avy eo ny mpandraharaha Rainiboto no tadiavina, ny mpandraharaha Malagasy tsy hita izay tokotaniny. Tsy voasa ho any India va re ny filoha sa tsy te-ho any fotsiny izao?

Ankehitriny koa avy izao resaka tsy loa-body rehetra izao tian-ko porofoina fa misy miketrika korontana eto Madagasikara. Ka na ho inona na ho inona fitandremana rehefa feno ny kapoakan'ny malagasy tsy niteny teo dia misy zavatra miparitaka foana eto nefa dia ny fiainan'ny Malagasy amin'ny ankapobeny hatrany no mihapotika avy eo. Na ny fandrenesana hoe lasa tapa-bolana isan-taona izao hoe sisa no zon'ny mpiasa tsy miankina amin'ny fanjakana mangataka andro tsy iasana raha iray volana teo aloha ve tsy hahatezitra ny mpiasa? Ny zony hatrany no ahena nefa tsy hita akory izay asa vaovao.

Mendrika ho andro tsy iasana ve ny 29 marsa?

2008-04-09 @ 08:59 in Politika

Manamarika dieny mialoha aho fa hanafintohina olona maro ity lahatsoratra manaraka ity. Noho izany dia mampitandrina ny be sy ny maro avy hatrany aho tsy handray an-tendrony izay voasoratra eto. Nosoratana izy ity, hiteraka adihevitra araka ny iheverako azy, nefa anairana indrindra indrindra antsika rehetra handinika tokoa io vanim-potoana iray amin’ny tantara io. Fanaikana antsika hamakafaka lalina, hijery ambony, hijery ambany. Hitsipaka izay mihoapampana ary hifikitra amin’ny mari-pototra. Marihiko ihany koa fa efatokony ho tamin’ny herinandro no nivoahan’izy ity saingy noho ny fotoana tsy mifametra no nahatonga azy izao vao mety hivoaka.

 

Izay nahamarika no nahita fa tsy nisy nivoaka ny gazety malagasy tamin’ny asabotsy 29 marsa 2008 teo afa-tsy ny gazety Taratra sy ny Ngah zety ihany. Ny Ngah zety moa dia ho amin’ny fampihomehezana ka avelantsika any fa ny gazety Taratra no tiako homarihina. Izaho ve no diso tia mamaky gazety asabotsy ka nahatonga ahy hankasitraka anaty ny nivoahan’io gazety io tamin’ny 29 marsa 2008 natao ho andro tsy iasana nefa andraisan-karama (ho an’ny maro an’isa fa tsy natao ho ahy aloha)? Ny lohateny lehibe rahateo dia mikasika ihany ity datin’andro ity ihany: “Ny marina momba ny 1947: Lasa adihevitra goavana”. Faly aho tamin’ny nivoahan’io gazety io satria nisy hovakiana aho sady niompana tanteraka tamin’iny raharaha iny rahateo ny ankamaroan’ny takelaka tao anatiny. Manaraka izany dia hitako ihany koa fa vetivety ihany ny gazety dia lany teny amin’ny fivarotana azy. Midika izany fa liam-baovao ny olona, nefa etsy ankilan’izay dia azo heverina ve fa izahay nividy gazety tamin’io andro io dia tena tsy niraharaha ny andro na tsy niraharaha ny tantara nodiavin’ny firenena malagasy? Adihevitra atsangako sahady ny amin’iny aloha.

 

Faharoa manaraka izany, sady mifampitohy tamin’ny lohateny lehibe indrindra amin’ny gazety Taratra ihany, ny fiezahan’andian’olona hampiely ny hevitra tokony hanafoanana ny fankalazana ity 29 marsa ity. Io no tena raharaha satria karazany sambany raha olona “mpitaky ny fahaleovantena” no nihaviany. Olona iray no tena nihetsiketsika nitondra ity hevitra ity dia ny mpitarika ny Otrikafo Atoa Rajaonah Andrianjaka. Misy ihany koa anefa ireo mitovitovy hevitra aminy. Mampieritreritra sy mampitodika hijery indray ny fandehan’ny tantara. Tantara mbola mifamahofaho sy mifangaro tanteraka. Nisy ireo voakaraman’ny mpanjanatany hampisy ilay korontana, hamotehana tanteraka ny tolona tsy mitam-piadiana notarihin’ny MDRM. Nisy ihany koa ireo tsy nahandry ny lalana manara-dalàna nataon’ny antoko MDRM ary nivonona ny handray fiadiana noho ny likiliky tany anatiny tany. Voakendrin’ny voakarama ihany koa ireny indrindra fa ireo miaramila malagasy nalefa tany amin’ny ady lehibe faharoa tany Eoropa. Samy manana ny foto-pisainany ireo izay mety hifanohitra tanteraka aza na samy mihevitra ny tenany ho tia tanindrazana aza. Nefa mihevitra ny andaniny fa mpamadika ny ankilany.

 

Misy kosa olo-tokana izay noahiahian’ny mpitolona (mitam-piadiana sy tsy nanaiky hitam-piadiana) maro ho voakaraman’ny mpanjanatany dia Ravelonahina Edmond izany. Tsotra ny antony: Rangahy io no nahafantaran’ny mpanjanatany fa nisy izany fikambanana miafina VVS izany tamin’ny 1913. Nefa dia izy ihany koa no nampihorohoro ny tany amin’ny faritra sasany tany atsimo atsinanana fa tsy maintsy tanterahina ny fikomiana ny 29 marsa 1947 na ho inona na ho inona mitranga, ka izay tsy miady dia heverina ho mpamadika tsara vonoina. Nanery olona tamin’ny alalan’ny fanambanana basy mihitsy aza izy indraindray. Tsy ho afa-manameloka na oviana na oviana izay nandray fiadiana (lefona) tamin’izany fotoana izany anefa aho satria izay no noheveriny fa mety sy noheveriny fa baikon-dRaseta sy Ravoahangy ary Rabemananjara lohan’ny fitolomana. Raha raisina ohatra ny fitoloman’ny mainty tany Etazonia dia toy ny tolon’i Martin Luther King sy Malcom Little tsy nanaiky ny anarany ka nanova azy ho Malcom X izany. Ny vokatry ny tolona no ahafantarana izay nahombiazana kokoa na nandamoka tamin’ny tolony.

Telma: Io fanjakazakan'ny mpampiasa io

2008-04-06 @ 15:57 in Andavanandro

Mpiasa aho fa tsy mpandraharaha, noho izany tsy maintsy amin'ny fijerin'ny mpiasa no itondrako ny resaka. Eto aho tsy menamaso amin'ny mpampiasa fa rehefa tsy mety dia teneniko. Satria moa mpandraharaha no mpitondra ny firenena dia tahaka ny tsy manam-peo mihitsy ny mpiasa. Soa aza misy itony bolongana itony hamoahana ny feon'ny vitsy mpihaino sy ny mihavoatsindrin'ny hazolena ampitahorina lava amin'ny hoe "tsy misy ny tsenan'asa ka mahazo miala izay te-hiala fa be ny mpitady". Marihiko fa tsy tratran'izany tranga izany loatra aho fa mandre kosa ny manjo ny mpiasa hafa.

 

Efa nisy ihany ny fotoana delegen'ny mpiasa aho. Raha mahazo izany andraikitra izany tsy maintsy mianatra ny lalàna (dia ny lalàna sosialy na ny lalànan'ny asa izany). Tadidiko tsara fa toy ny mpampiasa ny firesahanao amin'izany "inspecteur de travail" izany. Raha nila hevitra tamina tranga vitsivitsy aho dia izy indray no namaly, nihoa-pampana noho izay nolazain'ny mpampiasa ahy izay Vazaha Tandrefana, hoe ianareo ao ary tsara toerana noho ny mpiasa hafa koa inona indray no takianareo? Vinitra mihitsy aho nivoaka io trano tao Antsahavola io ka nampitamberina ny resadresaka anjorony hoe efa nandray vola tamin'ny mpampiasa ireny "inpecteurs de travail" ireny ka tsy misy ilàna azy intsony. Niditra tao amin'ny birao nisy azy aho dia ery amin'ny 5m miala ny biraony ery no asainy mipetraka ary tsy maintsy miteny mafy miresaka aminy. Tahaka ireny mpiadina mitady mpiasa ireny no nahatsapako ny tenako.Andeha mody lazaiko hoe izaho angaha no mifanahin-jaza fa tokony ho izany no izy.

 

Ankehitriny, mitambolona indray ny tsiahin'ny omaly mieritreritra ny manjo ny mpiasan'ny telma izay iharan'ny fandroahana faobe (efa manakaiky ny arivo) nefa tsy misy tsipalo-teny avy amin'ny fanjakana akory. Efa tsy mahagaga intsony raha ny gazety no tsy miteny ihany koa.Mba mpijery vaovao vahiny ihany ny tena ka mahatsapa ny laharam-pahamehan'ny mpanao gazety any ivelany izany resaka asa izany indrindra ka hoe misy fandroahana faobe amina orinasa iray. Mba manao ahoana kosa ny lanja omen'ny gazety malagasy ny fandroahana faobe mahatratra 900 ao amin'ny telma. Ny gazetiko no naheno io resaka io voalohany fa zoro kely zara raha nahatratra folo andalana no anjara toerana sahaza azy tao anatinatiny tao. Raha gazety vahiny io marina tsy pejy roa natokany ho amin'iny fotsiny? Mety ho diso anefa aho amin'izany vinavinako izany.

 

Fa ny tena sampona dia ity: ny mpiasa ela niasana indrindra no roahina ka soloina tanora 200 heverina fa mahavita ny asa. Tonga manko dia nolazain'ny tompon'andraikitra iray fa tsy maharaka ny haitao ankehitriny intsony ireo mpiasa horoahina ireo ka ho fandaniam-poana fotsiny izy ireo. O ry zalahy! tsy ho antitra angaha ianareo? Tsy maharaka ny lalànan'ny asa intsony angamba aho fa araka ny lalàna eto Madagasikara fantatro dia ny olona nampidirina farany hatrany no tsy maintsy esorina voalohany raha misy fandroahana faobe tahaka izao. Tsy rariny mihitsy satria henoheno fa toa karama telovolana eo ho eo ihany no zo ho azon'izy ireo ho sandam-pandroahana. Olona firy taona sisa dia ho retirety ve no horoahina sahala amin'izao? Tsy firaharahiana ny zo mahaolona mihitsy... olona tsy hisy mpandray na oviana na oviana raha mitady asa fa ny tanora izay kendrena ho ampidirina ihany no be mpitady amin'ny tsenan'ny asa aloha.

 

Na dia heverina fa tokony hihetsika avokoa aza ny vondrokerin'ny mpiasa rehetra manoloana izao toe-javatra izao ary ny sendika no tokony ho lohalaharana amin'izany, dia sarotra ihany ny hanatanterahana izany noho ny haino aman-jery aloha voalohany. Ireo no mpanentana voalohany ka raha tsy misy fitenenana sy famoahan-kevitra hanoherana izao fandroahana tsy ara-drariny, satria sady mandroaka no mampiditra mpiasa izao, avy amin'ireo heverina fa solombavan'ny mpiasa mivantana ireo dia ho potika tanteraka ny tontolon'ny asa eto Madagasikara.Ho nofinofy izany hoe roapolo taona niasana izany fa ho avy ny fotoana 40 taona dia roahina ny mpiasa ka tsy hahazo asa vaovao intsony. Miaraka amin'izany na dia heverina ho mihamahay aza ny tanora dia tsy hisy na oviana na oviana ny fanatsarana ny tontolon'ny asan'izy ireo fa ny sipan'ny deba ihany no mety haharitra ao amin'ny toerany raha mahay mihazona. Ny hafa dia hitaintaina lalandava. Ny tena nahararak'ivy ahy dia ny filazan'ny gazety iray hoe nahazo fampitandremana avy amin'ny BIT sy ny OIT i Madagasikara fa aleo hoy izy amin'ny manaraka ny antsipiriany. Tsy aleo ve tsy miteny rehefa tsy hamoaka fa mahasosotra. Oviana izany amin'ny manaraka izany?

 

Mandinika aho fa tsy miasa ankalalahana ihany ny gazety eto Madagasikara fa matahotra ny mpitantana. Tsy hitako izay hanoherana mpitondra raha ny mason'ny mpitantana ao amin'ny orinasa iasanao aza atahorana. Tsy aleo mangina? Oadray! hay moa tsy misy milaza ny heviny ry zalahy amin'izy ity fa mitati-baovao fotsiny. Mba nilaza ny heviny ihany i Soava ao amin'ny Malaza fa maneso ny rehetra indray no ataony fa tsy manome tsiny ny fanapahan-kevitry ny mpitantana ny telma mihitsy izy. Hamaranako azy dia hoy ny fitenenana iray izay hoe na dia lehibe aza ny vatolampy rehefa tsy miteny angeren'ny vorona. Ny eto indray fisaratsarahana toy ny fasika no mitranga, ary ny fasika any amorontsiraka any tsy vitan'ny... fa tena andevenana mihitsy ary toy ny ilaharana vao maraina mihitsy aza. Enga anie mba tsy ho toy izany kosa ny hanjo ny mpiasa malagasy!

 

Ity setrasetranareo ity: 14 no maty

2008-04-03 @ 20:49 in Andavanandro

Loza mihitsy ange ity ataonareo ity e! Heverinareo fa anareo irery ny lalana. Izao ny vokany: 14 lahy no maty tao anatin’ny indray mipi-maso monja. Naninona anareo izao ireo tra-doza avy tany Tsiroanomandidy hamonjy an’i Vangaindrano ireo?

 

3 Avrily 2008 vao maraina manaraka iny lalam-pirenena fahafito, iray amin’ny lalam-pirenena be mpivezivezy indrindra eto Madagasikara. Niainga avy ao Antsirabe vao maraina ny fiara fitaterana iray nitondra mpandeha vitsivitsy. Tsy feno ny fiara saingy aleo nandeha fa any an-dalana any ve tsy hahita hafa? Lalam-pirenena no andehanana ka hafahafa ihany raha hiadam-pandeha ny fiara. Samy manana ny tanjany na dia izany aza. Raikitra amin’izay ny ankimbahambahana ataon’ny te-hahazo mpandeha nefa kely hery. Tsy nahaleo ka voasongona ihany dia romotra aok’izany ingahy saofera handondona avy ao aoriana. Mitaintaina tsy fidiny ny mpandeha lasa mieritreri-doza hoe oviana no hifandona. Mieritreritra fa toy ny anaty vatam-paty mandehandeha avy hatrany rehefa karazan-tsaofera tahaka itony no mitondra anao nefa taratra ihany fa maro no manana toetra tahaka izany.

 

Kanjo, sahabo ho folo kilaometatra tsy hidirana an’Ambohimandroso. Indro Fiarabe iray haka toaka aty Antananarivo sy fiara fitaterana ‘mazda’ iray nitondra mpiasan’orinasa iray no hita ery ankavian-dalana (mariho fa avy any Antsirabe ny fandraisana ny fitantarana eto). Misy faty maromaro navalampatra teo afovoan’ny arabe, lambam-pandriana roa vao ampy nasarona ireo nodimandry tamin’ny setrasetran’ny sasany ireo. Tsy voaisa izay norakofana teo ka sarotra ny hitantara avy hatrany fa tsy maintsy hiandry ny vaovao rahariva na rahampitso maraina, satria tsy maintsy hisy hitantara io.

 

Nahita io ingahy saofera dia nihaniadana tampoka teo ny fandehany, tsy nisy intsony ilay fifaninanana hazakazaka tsy nifampierana teo. Tsy nijanona teo amin’ny toerana nisian’ny loza anefa izy ka tsy fantatra marina izay antony mety ho nahatonga io loza io. Ny tsipalotra ihany no hotantaraina. Hita fa tena nofaohin’ilay fiarabe (afa-mitarika) tokoa ilay fiara ‘mazda’ ka nataony toy ny nievotra niverina mihitsy. Voatsipy niverina tokony ho any ho any amin’ny 4 metatra miala ny arabe any ho any mihitsy. Fesona tanteraka iny manoloana ny fiara iny ka tsinjo avy hatrany fa tsy nisy noraisina ny saoferan’io ‘mazda’ io. Ny vaovao halina vao re fa tsy nisy niangana (tsy azoko, mbola nisy iray sa...olona telo manko no tsaboina ao amin’ny hopitalin’Ambatolampy) ry zalahy tao amin’io fiara fitaterana io. Naratra mafy kosa ny saofera sy ny mpanampy azy tao amin’ny fiarabe. Eritrereto amin’izany ny halozanareo. Ao anaty fiarabe ve ianareo dia ho pempo tahaka izao koa sy haratra mafy? Azo heverina fa vokatry ny setrasetra indray io.

 

Efa nisy ihany manko vehivavy iray nitaraina fa nisy fiarabe izany nisongona azy. Fiara maivana no nandehanany fa niaiky izy: tsy hita intsony izay nalehan’ilay fiarabe. Midika izany fa mety nahatratra ny 100km/ora any ho any mihitsy ny hafainganam-pandehany matoa tsy tarataratra tany alohaloha tany intsony avy teo. Fa hiverina tamin’ilay loza noho ny setrasetranareo ihany aho. Mahonena ny mijery ireo enta-kelin-dry zalahy nopaohin’ny fahafatesana. Kitapo am-babena vitsivitsy mendrika ho fitondran’ny mpianatra no hany entan-dry zalahy. Manamarika avy hatrany fa mpiasa madinika ireo niharan-doza noterena ho any amin’ny varo-tsy mifody ireo. Hanao ahoana ny fandrenesan’ny fianakavian’ireo nilaozana ny loza? Hanao ahoana ny ho fiainan-ko avin'ny ankizy izay azo vinaniana avy hatrany fa mbola kely? Setrasetranareo mpanana fiara tsy manaiky hosongonana ihany manko izao.

 

Efa tonga tany an-toerana mihitsy ny praiminisitra sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta nijery ny zava-nisy, loa-bolana hoe: “tena tsy azo leferina mihitsy ny gaboraraka mahatonga ny loza tahaka izao, mendrika ny olona mahavita ny zavatra tahaka izao ny sazy henjana indrindra azo ampiharina aminy”. Rariny tokoa ny teny saingy moa fantatrao fa hipia-kelika indray ny zandarin’ny fifamoivoizana hitaky ny anjarany isaky ny fiara fitateran’olona mandalo indrindra indrindra nefa rehefa jerena toa ny mpitatitra entana izay tsy raharahan-dry zalahy loatra no tena mpitera-doza. Ny haka sisi-bola ihany no mahamaika fa tsy ny handamina velively. Toa tsy mba andrenesana sazy ho an’ireny mpitango ny “hilaminana” eo amin’ny taratasim-piara sy tsy hanaovana tatitra amin’izay fandikan-dalàna loatra fa ny olo-tsotra foana no tsy maintsy masaka sady tsy mahazo mamaly afa-tsy hoe manana olona azo hanindriana angaha!

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aprily 2008 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox