Aoka aloha, aoka aloha...toa mampivadika ati-doha

2008-09-30 @ 20:58 in Kolontsaina

Aoka aloha! karatra mena omena izay mitady hikiry hahazo fahafinaretana safononoka...(safononoka hono! hehehe!) amin'ny fotoana tsy mampazoto ny iray sa aloha loatra ny fotoana? Aoka aloha! Fiteny tian'ny mpanentana amin'ny ady amin'ny SIDA hataon'ny tanora amin'ny namany raha misy ny fandrisihana hiroboka sahady amin'ny fihirahirana ilay hiran'i Mahaleo manao hoe "Veloma ry fahazazana" Ka miarahaba ny hatanorana...atao daholo na ny fifohana na ny fisotroana na ny FIJANGAJANGANA. Sao voambolana diso toerana amin'ny hira aloha io hoe mijanganjanga io? Nefa matoa ny mpanoratra nametraka azy dia ao raha...

Adihevitra vao mafana tany ampiasana mihitsy manko izany hoe tsy misy intsony izany vehivavy miditra amin'ny fanambadiana mbola virijiny izany. Raha 14 taona (lalàna taloha izany babako!) no misy zazavavy akarina tokantrano no mety ahitana isanjato kelikely ihany izany hoe vehivavy virijiny no hiditra tokantrano... Fijerin'ny tambonivohitra izany fa asa manao ahoana tokoa re ny any ambanivohitra?

Fa aiza ihany ary no tena tian'ny mpanoratra holazaina amin'ny lohateny fa tsy azoko mihitsy? Raha natao ary mbola atao dokambarotra mafotaka aoka izany ny famiasana fimailo sy ny fandrindram-piterahana dia manaraka tsimoramora eny ihany ilay karatra mena misy soratra hoe "aoka aloha!". Indraindray aho mihomehy mahita ilay soratra amin'ny karatra mena ka tsy naharitra intsony aho fa nosoratako ihany androany ny antony. Lasa tsy fidiny ny vavako tany amin'ny "bord" Mahajanga indray alina nanao hoe: "f'angaha tsy misy aoka aoriana?". Notampenako haingana fa miteniteny foana... nefa sao mifono hevitra filozofika?

Ekeko tokoa fa ny hevitra tiana ampitaina amin'ny karatra mena dia hoe tsy izao no fotoana saingy raha azo atao naninona raha ialana mihitsy ny hevitra mety mivilana? Mahazo karatra mena amin'ny aloha ve fa mahazo ny karatra maitson'ny beantitra aoriana. Dia manome sosokevitra ihany aho na izany aza toy ny hoe "aoka mihitsy!" na ny hoe "Aoka izay!" ho fanapahana ny resaka mandrobo ataon'ny anankiray. Sa dia lasa lavitra loatra mihitsy izany hevitra izany? Tsy manao hatsikana tandrefana aho an!

Tolona, ady, rà mandriaka

2008-09-26 @ 10:13 in Andavanandro


Iza no tsy mihoron-koditra rehefa mandre ireny famonoan'olona re isan'andro vaky ireny. Na dia mitatitra isan'andro ireny aza ny gazety eto an-toerana mbola tsy ampahafirin'izay mitranga andavanandro izany. Tsy vaovao rahateo raha tsy zavatra tantaraina. Omaly ny omaly isika mpanara-baovao no nandre fa tao anatin'ny alina iray monja (zoma 19 septambra 2008) dia olona efa 12 no novonoin'ny mpanendaka tamin'iny faritra manodidina an'Andravoahangy iny. Mampihorohoro tanteraka ny mandre azy izany. Eto Antananarivo anefa ireny ka heno ihany fa ny any ambanivohitra rehetra any dia ady sy tolona isan'andro no iainana.

Inona no tena mahaloza azy? efa mivondrona ny fokonolona amin'ireny toerana somary mihataka ny tanandehibe ireny fa miara-dia ihany koa ny jiolahy sy ny dahalo ary ny mpamono olona. Nanafika tanàna antsoina hoe Ambohidravaka tamin'iny faritry Vakinankaratra iny ny andian-jiolahy volana vitsivitsy lasa izay. Izany no toy ny tantara tamin'ny andro fahiny nisy ireny tanàna nifanafika ireny satria tsy nisy nifampitsitsy ny roa tonta, na ny fokonolona na ny andian-jiolahy dia tena nifanandrina tahaka ireny western very sheriff miampy kungfu shaolin ninja ireny; izany hoe mifangaro ao avokoa ny lahatsary gidragidra fantatra rehetra ankoatra an'i Terminator sy Rambô. Hipoka tanteraka ny Hopitaliben'Antsirabe renivohitra nanditra izany alina izany nitaterana ny maratra sy ny tapaka ary ny very rà be dia be avy amin'ny fokonolona fa ny jiolahy ihany koa nitondra ny maratra tao aminy fa tsy hitondra azy any amin'ny hopitaly aloha (manana ny hopitaliny ve izany ry zalahy?). Ny any amin'ny firenena miady an-trano sisa no tsy fantatra raha tahaka izay niseho tamin'ity alina ity. Zairina manta tsotra izao ny ratra rehetra, dradradradra izao, tomany izao... efa tsy nifandrenensana intsony. Raha nisy ny sarin'izany dia ho gaga ianao ary hieritreritra hoe any Iràka ary ve izaho izany sa any Palestina? Soa ihany fa tany amin'ny toerana mbola mafy ny firaisankinan'ny fokonolona aza izany! Fa nahoana izany no nitranga teto Madagasikara? Tsy matoky ny mpitandro ny filaminana intsony ny mponina!

Vao maika koa hampihemotra ny fitokisan'ny mponina ny mpitandro ny filaminana ny fahatrarana ny sasany amin'izy ireny nandroba, nanendaka, nangalatra ary saiky hanao an-keriny ihany koa aza, vaovao tao anatin'ny herinandro izany raha ela indrindra. Efa mihamivantana amin'izay, ho'aho, ny fitangosan'ny mpitandro ny filaminana sasany vola tamin'ny alalan'ny kolikoly teo aloha. Sa mbola tohizan-dry zalahy aty an-drenivohitra ny fananon-dry zalahy tany ambanivohitra tany? Mihamasiaka ny jiolahy ka mamono olona ihany koa satria fantany fa raha tratran'ny fokonolona izy dia efa ny ainy izay no manefa. Inona no tena fototry ny olana? Iray amin'ireny angamba ny fanafahan'ny mpitsara, na mpanao famotorana ny olona efa fanta-daza amin'ny fanaovan-dratsy, ka mampisy Tsimatimanota eo amin'ny lalàna. Ho aiza na hanao inona ary ny fokonolona manoloana ny tsy rariny mihatra aminy? Hisafidy ny hanao inona ny fokonolona raha mbola mitaky ny fanajana ny fiarovana ny zon'ny mpanao ratsy efa mivandravandra fa tsy misalasala ny mandatsaka ain'olona nefa tsy nijery ny nanjò ny olo-tsotra ihany ny mpiaro ny zon'olombelona amin'ny ankapobeny? Efa voarara rahateo moa ny didy famonoana ho faty! Efa mirediredy mihitsy koa izaho izany!

Didim-pitsarana: sao mba tsy rariny ihany?

2008-09-24 @ 09:27 in Andavanandro

Nisy vaovao nahoraka izay teto amin'ny tanàna fa lehilahy Frantsay efa antitra no tratra nitondra sarin-jaza naboridana (tsy ampy taona) miaraka amin'ny sary nametavetana ireo zaza gasy ireo. Tsy te-hitantara betsaka ny amin'iny aho fa ny tena ifantohako sy arahiko maso dia ny sazy mihatra amin'ny olona manao ireny hadalana ireny hijerena ny fampiharan'ny fitsarana fa atao ho anatry ny hafa ihany koa ny sazy azon'ireny olona manaonao foana ireny.

Vetivety moa dia natao ny fitsarana ity raharaha ity ary toy izany ihany koa ny fivoahan'ny didim-pitsarana. Tena ontsa sy tezitra aho nandre ny valiny, araka ny filazam-baovao iray. Ny fandre matetika manko raha misy ny tranga tahaka itony dia asa anterivozona dimy taona ny tena kely indrindra azon'ireny olona ireny. Ny asa anterivozona moa noho ny "zon'olombelona" dia tsy azo atao intsony na dia gadra aza ireny olona ireny. Ny fitazonana amponja ihany izany sisa no azo atao. Fa manakory kosa ilay sazy nomena ilay lahiantitra nanampatra ny hagegeny tamin'ny zaza gasy?

Vao nandre fotsiny aho hoe sazy mihantona ilay azony dia niontana indray mandeha ny ambavafoko. Na tsy te-hieritreritra fanavakavahana aza tsy maintsy taitra ihany, farafahatsarany kolikoly... tena fanimbazimbana sy fanaovana tsinontsinona ny Malagasy mihitsy amiko izao didim-pitsarana izany satria tsy hoe torotorok'olona hanaovana ramatahora olona voafandrika izy ity mba hisintonana volabe fa porofo mitohoka amin'ny tendany ny sary nentiny fa tsy hoe nentin'olo-kafa. Lasa ny saiko manao hoe tena tiana ho fanaovana fizahantany mamoafady mihitsy eto Madagasikara handrisihana ny vahiny hanimbazimba ny malagasy satria sazy mihantona fotsiny no omena anao raha manimba zaza ianao. Roahina fotsiny izany izay vahiny tratra fa tsy mahazo manasazy azy ireny isika Malagasy? Eritrereto ihany lahy!

Ny lalana malalaka ihany no amboarina

2008-09-22 @ 11:03 in Politika

Nalaza tao aho ao ny fanamboaran-dalana hampitohy an'Ivato amin'i Talatamaty. Lalana mirefy tokony ho 5km izany lalana izany ary handaniana 7 miliara ariary eo ho eo. Ny orinasa Sogea Satom ao anatin'ny vondrona mpanamboatra lalana malaza VINCI Construction no hanatontosa izany fanamboaran-dalana izany. Ny tena tian'ny gazety ny Vaovaontsika navoitra androany manko dia hoe tsy hisy fandravana trano mihitsy amin'izany fanitaran-dalana izany fa ny takelaby fanaovana dokambarotra ihany no miala. Hay ve fanitaran-dalana ity handaniana vola be ity fa tsy famakiana lalana vaovao e!

Ankona ihany ny tena rehefa namaky ilay vaovao satria tsy vahiny amin'iny lalana iny manko ny tenako. Nihevitra izahay fa hisy lalana vaovao somary mahitsy avy eny Ivato tonga dia mamantana Ambohibao, fa tsy mandalo izany Talatamaty izany ity karakarain'ny fitondrana ity hay tena mivandravandra fa ny fandraisana ny filoham-pirenena ho avy amin'ny fihaonam-ben'ny filoham-pirenena sy mpitondra fanjakana Afrikana no laharam-pahamehana. Tsy hanala olana velively izany ity lalana ahitatra ity.

Inona ilay olana tsy voavaha? Ny tena miteraka fitohanan'ny fiarakodia amin'iny lalana mankany Ivato iny manko dia ny mandalo an'Ambohimanarina iray sy ny mampitohy an'Ambohibao vao miakatra iny ka mankany Talatamaty iny ny faharoa. Noho ny fahateren'ny lalana amin'iny faritra iny dia mikatso avokoa ny fiara rehetra mandrapahatongan'ny fizarandalana eo Talatamaty ka mankany andrefana Ambohidratrimo sy Mahajangà ny iray ary mianavaratra mamonjy an'Ivato seranana kosa ny iray. Mivandravandra eto fa tsy ny fahasahiran'ny olona tokoa no mahamaika ny fitondrana fa ny hirehareha amin'ny lalana efa malalaka dia malalaka ihany. Toy ilay lalana etsy amin'ny lalambaovao mampitohy an'Ankorondrano amin'Amboditsiry ihany ity e! eo amin'ny fanombohan'ny olana mamonjy an'Analamahitsy tanana indrindra no vita ny lalana fa tsy nisy ny lalana vaovao hamahana ny olan'ny fitohanan'Analamahitsy mankany Anjozorobe velively. Oviana re vao tena laniana amim-pahamendrehana ny vola be tahaka itony e?

Rado mpanoratra: Ny zavatra hafa mety mbola tsy fantatrao.

2008-09-18 @ 13:55 in Kolontsaina

Mbola eo ampanongotsongoana faramparany ilay andrarezin'ny teny sy ny haisoratra malagasy lavo
isika amin'izao fotoana izao. Mbola mahatsiahy tsara sy mampitamberina ny soa sy ny ezaka vitany
izay rehetra mahatsapa fa nisy vongana masirasira (leviora) avy tamin'i Rado namolavola ny nankamamiany ny haisoratra lovan-kolontsaina malagasy na farafaharatsiny ny teny malagasy, dia izay ihany, tahaka ahy izay manoratra aminao etoana na dia tsy nisy aza fifaneraserana mivantana aminy. Tsy tena mpankafy ny asa-sorany aho, eo amin'ny lafiny fitadidiana tsianjery izay nosoratany, fa mahatsapa kosa ny halalin'ny zavatra soratany rehefa mahafantatra zavatra bebe koa momba azy. Hoy Simeon Rajaona fony nanatrika ny fanamarihana ny faha-80 taonan'i Rado notontosaina tao amin'ny fiangonana tranovato Faravohitra tamin'ny taona 2003 ary atao tamberina saky ny vita vaovao alina ao amin'ny TVM amin'izao fotoana izao:

Anisan'ny alahelo entiko mandramaty mihitsy ny tsy mba nampidirako tao anaty "takelaka notsongaina voalohany sy faharoa" ny asasoratry Rado na dia iray aza satria tsy hisy intsony ny fampidirana lahatsoratra vaovao. Nanomboka tamin'ny taona 1955 manko ny fanangonana ny lahatsoratra rehetra nefa dia tsy nahafantatra an'i Rado sy ny asa sorany mihitsy aho. (Teo anatrehan'i Rado sy ny mpanatrika rehetra no nitenenany izany ho karazana fifonana eo anatrehan'i Rado).

Nataoko ho karazana zavadehibe nampitodika ahy hijery fahitalavitra indray ny manaraka fandaharana manokana momba an'i Rado, hany ka tsy nampaninona ahy velively na tratra aoriana aza ao nalefa nivantana (teny antenatenan'ny lalao vao nalefa mivantana) ny lalao baolina fandaka ifanandrinan'ny Manchester United sy Villareal. Izaho mpankafy baolina fandaka lozantany ity no tsy nisy alahelo na fahatezerana akory noho ny tsy fahitana mivantana lalaon'ny goavana sahala min'izany? Na izaho aza gaga tamin'ny tenako.

Ataoko fa tsy manavahiny ny mpamaky ny asa-soratry Rado ny fampahatsiahivana nataon'i Zo-Maminirina an-tonokalo ny sombin-teny manamarika ny soratr'ity Ngezalahin'ny literatiora Malagasy ity:


Hovitra

Ho any ianao kanefa
ny lalana mankany tsy misy dia miverina
tsisy ankamerimbotsotra,
lalan-tsy mif(am)etra hatreo am-parafara fara-fatoriana
ka mampifararemotra ny manam-pofonaina

Dia lasa ianao...
kanefa ny dian-drantsanao natosiky ny SEDRAn'
ny fizarana mamy
ny DINITRy ny tolona
niady ho an'ny ZO
sy ny maro hafa
no ANDO hampamololona
indray ilay finoana
noheveriko ho tarangana.
Mbola indreo mitsangana
ny zana-dRavahoaka
tsy resin-dazon'ady
mbola sahy mitady
ny tena fahafahana

Dia lasa ianao...
ry Dada
Nianjaika fandresena
feno fanetre-tena
anatrehan'ny Tsitoha!

Etsy kely aloha...
iriko ho tsikitsiky no ifandaozantsika
na fo mangorangorana
sy mangorangorana aza ny ato anatiko ato.

Aza misahirana, azafady indrindra f'aleo hakatoko ihany
io varavarana io...
...dia hitomany aho.

Zo-Maminirina 16 septambra 2008

Tononkalo avy tamina mpankasitraka ny asa sorany izany fa nampisaina lalina nahafantarana zavatra hafa momba ny tenany ihany koa ilay tononkalo nosoratan'Andriamanantena Celestin (efa nodimandry ihany koa) ho an'ny zandriny tamin'ny andro nitsingerenan'ny faha-70 taona nahaterahany, ny zoma 1993, ary hita tao amin'ny gazety taratra n°1386 nivoaka ny Alarobia 17 septambra 2008 pejy fahaefatra:

Faly aho, ry zandry, ka ho tsiny ve
ny mitanisa fohy ny araben'ise?

...Ny arabe iray dia lalam-pitsapana,
feno vatokely sy hady mangotana.
Vao sivy taona ise dia maty i Mamantsika,
fotoana kely monja ilay volana baliaka
dia lasa tsy nipody. Ny fitiavan-dreny,
minitra dia nandalo; ny iray tampo indreny
nandeha tsikelikely, namela antsika lahy
izay tendrony ankiroa matoa sy faralahy.
Tapaka ny tady, banga ny elanelana
nefa mba niriana ny vony ampy felana!...

...Fa nitohy ihany ny tsilo an-dalambe:
Fotoana maromaro no tsy salama ise;
nanao tampody fohy ny antsy fandidiana
ka niverimberina nitondra hakiviana.
Alin-tsy voaisa no nisehoan'izany,
na teto anivonay, na tany ampita tany.
Nivesatra ahiahy ny zanaka sy vady,
ny havana rehetra lalovan-dazon'ady.
Ho resy ihany va 'ty loza izay misakana,
sa anio mihitsy no ho rendrika ny lakana?

...Fa nitohy ihany ny tsilo teny an-dalana,
naranitra ny antsy ka nahatratra akalana.
Ny fitiavan-janaka nataon'ise filamatra,
indraindray nikiky sady koa nandramatra
ny alina sy ny andro nandalo tamin'ise,
nitera-panahina sy ny teny toyny hoe:
"Hanao ahoana re ny hoavin'ny taranako,
fa tiako, tena tiako ary mamiko ny zanako?"

...Fa mbola niha-maizina ny arabe nizorana,
ny lohalika osaosa vao mainka koa nangorana;
ny volo efa fotsy mba niandry taona zina
nolalovan'afo ka mainka niha-kina.
Tsy ela fa vao omaly, sombinaina efatra
no niara-maty teto. Alina mavesatra
ny alina rehetra fa lasa ny malala,
natelina ny sento ka mila ho vakivaky
ny loha adaladala!...

Ireny no antsoiko hoe arabe iray,
nisy fitsapana sy ady mahamay,
nodiavin-tongotra sy taolana mihanjaka,
ary nandrefesana ny hery sy ny tanjaka!...

...Fa misy ny arabe izay hafa noho izany,
mivoly voninkazo sy kalokalo mamy,
dia ny arabe sy soratra nitondran'ise
ny hetaheta maro nanindry ny mpandeha!
Mpamaky firy moa no sempotra sy toro,
mpamaky firy moa no sendra horohoro,
no rehefa mahavaky ny tonokalo mamy,
no tsy toy ny olonanandresy ny tomany,
ka nahazo hery sy sitrana tsy miody:
"DINITRA" sy "ZO" nanjary fanafody?
Ary raha nanjaka ny olom-panjanahana,
ka nanjavozavo ny tanjona hiatorahana,
ise no nitaiza sy nampahazo vahana,
nampianatra ny ankizy hiantso Fahafahana!...

Mihoatra noho izany ny araben'ny Hira
namonjen'ise ny fo voaviravira,
Nahatonga ny olona hiandrandra lanitra,
Hiantso sy hidera ny anaran'Andriamanitra!
Fa na aiza fiangonana, na aiza fivoriana,
Na tilikambo avo na tilikambo iva,
njao mamelovelo raha tonga ny hariva
Ny hiran'ise, mandona ny ati-fo,
Ka vetivety monja, miharina ny loha!
Arabe'ny hira, araben'ise,
Ka babo izay mandalo, babo izay mandre!...

...Tsy adino koa ny Làlanan'ny kabary,
Nanehoan'ise fa soa miharihary
Ny tenin-drazantsika. Teny manankasina,
Afa-mampikambana sy mampifankatia
Zatovo marobe, ka falifaly ery
Ireo izay mandre ny ohabolana, hainteny
Milaza ny fitia, manombo izay nekeny.
Moa tsy faly ery raha mifanena ise
Amin'ny zatovo ka ilazana hoe:
"Moa tadidinao, fa ianao ange no iray
Nitondra ny kabary tamin'ny andronay?...

...Fa ato an-tsaiko koa ny araben'ny kanto,
Ny araben'ny sary tsara sy milanto,
Fomba nanehoana ny tsy takatry ny penina,
Nanalana sarona ny nofy izay nafenina.
Hain'ise izany ka fomba tsy fahita
Nateraky ny karoka no tonga zava-bita.
Na tsihy nasiana sary, na hazo iray nodorana,
Na jiafotsy tsotra, na hoditra nohosorana.
Ireny no akora sy zary fiasana,
nasain'ise niteny ka tonga nigagana.
Dia jejojejo ary ny rindrina miravaka,
Ny sary vitan-dRado tamim-pomba miavaka...

...Fa anampiako izany ny araben'ny hehy,
Ny vazivazy maro nanondraka tarehy.
hain'ise manokana ny nampiasa izany,
Na andro maha-ory na andron'ny tomany.
Vazivazy ireny nefa nanafana
Ny tokantranontsika,
Ny taranatsika,
Ny sakaizantsika.
Fa na ny tolona aza ho an'ny firenena,
Ny vazivazy ihany no fomba nanefena,
Nanefen'ise ireo ratsy tarigetra,
Hanaiky tsongotsongo sy hanova toetra!...

3 - 10 - 1993 Amboditsiry
Andriamanantena Célestin

Hay ve izany Rado izany ka toa fijaliana hatrany ny fiainany rehetra. Hatramin'ny fahazazany
nandaozan'ny reny sy ny iray tampo azy telo mianaka ka hatramin'ny andro nahafatesany saingy tsy nataony hampiondrika azy izany fa nitraka hatrany izy hampamirapiratra ny teny nolalainy. Hay efa impiry impiry ny lehilahy fa nandalo fandidiana nampanahy indrindra ny fianakaviana fa tratrany
ihany ny fahanterana. Aiza ho aiza amin'izany isika betaraina itony? Tsy nampiala vehana azy ny
sakatsakana mety ho nitranga. Nampitamberina indray ny halalin'ilay tononkalo manao hoe:

Raha mbola misy tsiky
azonao asetra ny ronjon'ny ankaso
Nahoana indrindra, iky
no dia laniana foana ny vongan-dranomaso!

Raha mbola misy ihany
kintana mamiratra azonao banjinina,
nahoana no tomany
no andanianao ny alin'ny ririnina?

Raha mbola misy kalo
azonao hiraina anaty fahavaratra
nahoana no himalo
mahita vodilanitra mosarena taratra?

24 - 02 - 70
(Dinitra tak.122)

Tranga iray hafa avy amin'ny resaka fohy nataon'i Bessa indray ny fiarovana nataon'i Rado fony
mpanao hira mibarareoka i Bessa, nihira ilay "Ny hirako izao Ray be fitia"(fihirana FFPM lah.478)
Toa maneso manko ny mandre ilay feo ka nisy nitsikera tao amin'ny gazety "Fanasina", gazety
protestanta nivoaka isan-kerinandro nandritra ny repobilika voalohany (efa namaky ny sasantsasany tamin'izany aho fahakely). Ny protestanta manko miaro fatratra ny fomba fihira araka ny sol-fa (tandrefana aza) ka nanohina ny fony ilay zanaka mpitandrina toa naniratsira ny hiram-pivavahana. Avy tamin'ny fomba fitendrin'i Bessa ny harimÔnia no tena nahatonga azy hiaro ilay fomba fihira (samy zanaka mpitandrina koa moa ry zalahy). Tsy fantatro loatra satria tsy ampelatanako intsony io raharaha iray io, ka tsy haiko ny fomba niarovan'i Rado an'i Bessa. Ny tsapako avy hatrany fotsiny dia avy amin'ny fomba fihira zafindraony, saiky nofadiana am-piangonana (mbola tsy nanaiky loatra ny fifohazana manana ny hira mifanahatahaka amin'ireny ihany koa tamin'izany fotoana izany ireo fiangonana nipoiran'ny FJKM) manko ny hira maintimolaly fa izay tsy afaka ambavan'ny maro tamin'izany (toy ny Sambasamba Zanahary hira FFPM lah.79) ihany no tsy maintsy nampidirina fandrao mampalahelo ny maro an'isa. Ity resaka notsongaina tamin'ny resaky Bessa ity no tena ahazoana mitaratra ilay mahamalagasy azy satria nifanakaiky tamin'ny am-pon'ny maro an'isa, ambany ravinahitra, izay fiheviny izay.

Hitondra ny fanilo izahay ry Rado, Hasandratray ho avo ny hasoan'ilay teny maminao. Hokoloinay
tsy ho lefy mba tsy ho verivery foana ny hasasaranao.

Rado: Mahazo maty ve ny tenany? Fa iza moa izy?

2008-09-16 @ 08:20 in Kolontsaina

Araka ny efa nosoratan'ny namana New2dago dia nodimandry halina (15 septambra 2008) ilay mpanoratra fanta-daza amin'ny anarana Georges Andriamanantena naka ny anarana malagasy antsoina hoe Rado. Efa naiditra hopitaly ny tenany tamin'ny herintaona ary mbola novelomin'aina ihany koa talohakelin'izao nandehanany nitsaitsaika tanaty alin-diavolana izao. Lasa izy raha mbola varian-dalao amin'izay manahirana azy avy ny manodidina azy.

Tsy dia mahalala zavatra betsaka azy aho. Tsy fantatro tahaka ny paosiko izy satria na ny paosiko aza tsy tadidiko akory izay nataoko tao anatiny ary tsy fantatro marina ny refin'ny halaliny. Izay kely fantatro ihany no ampitaiko mba hitovitovy ny fahalalantsika momba ity olomangan'ny firenena ity.

Zanaka mpitandrina ny tenany, teraka tamin'ny 1 oktobra 1923 (tapabolana sisa manko) ary Ankadivato ilay fonenana nahalehibe azy. Notezaina tanatin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny tanindrazana tahaka ireo hafa novolavolaina tanaty lasitra protestanta nandritra ny fanjanahantany. Jereo anie ny lalam-piainana nodiaviny:

Nianatra teny amin'ny sekolim-panjakana (Ecole Officielle) tamin'ny taona 1929 ary teny amin'ny sekolim-pinoana protestanta rehefa avy eo ( Teny amin'ny frenjy Ambohijatovo Atsimo 1933-1941 sy teny amin'ny Kolejy Paul Minault 1942). Nandalo teo ambany saokan'i Al. Ravoajanahary tao Ambohijatovo sy ny Mpitandrina Ravelojaona tao amin'ny Paul Minault). Nandritra izany fotoana izany dia notezaina ihany koa tanaty fanabeazana skoto (Tily eto Madagasikara) ho fanamafisana ny fanolokoloana tany an-trano nandritra ny takariva "amorom-patana" nampitiavan'ny rainy Mpitandrina ho an'ireo zanany ny teny malagasy. Nampianarina hahaleo tena fa tsy hiankina aman'olona hany ka na dia nahazo asa tao amin'ny Preservatrice Assurances ary nandray karama be tamin'izany aza (1942 - 1955) dia naleony nihafy nanorina gazety (hehy) niaraka tamin'ny rahalahiny Celestin Andriamanantena (1955 - 1966). Efa nianarana tany Strasbourg rahateo ny fanaovan-gazety.

Nanambady an-dRavololona Edwige izy ary nataony tamin'ny teny malagasy avokoa ny anaran-janany rehetra (enina ka manana ny anarana Noro, Ony, Lanto, Haingo, Andry, Rija...nitohy tany amin'ny zafikely ny nanomezana izany anarana malagasy izany) ary efa loa-jafy rahateo.

Maro ny karazan-talenta ananany ka ao ny fanaovana sary hosodoko, ny paik'afo (pyrogravure), ny Tosi-by (metal repoussé), ny kiky fitaratra (gravure sur verre) ary tsy latsa-danja amin'izany ny famoronana hiram-bavaka, hita tokoa ny tenany fa notezaina ho kristiana. Fa ny tena ahafantaran'ny maro azy moa dia ny tononkalo izay tsy nitsaharany mihitsy raha tsy amin'ny fotoana tsy ahafahany manao izany intsony. Izany no nahafahany namoaka boky fito miaty ny sasany amin'izany tononkalony izany dia Dinitra (1973), Ando (1977), Zo (1989), Sedra (1993), Ny teny Malagasy (1994), tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilany (2002 ary ny Voninkazo adaladala (2003) sy ny fiteny roa (2008). Aza atao mahagaga antsika anefa raha mbola mety hisy ny asa sorany hivoaka aorian'izao nandaozany antsika izao. Ny fanalan'andro nankafiziny dia ny manjono, fitiavana notahafiny avy tamin'ny rainy, sy ny fiaraha-milalao amin-jafikely.

Ankoatra izany dia ananany avokoa ny mari-boninahitra malagasy rehetra... hahavariana ihany raha hahazo mari-boninahitra avy any ivelany izy satria nandala tamin'ny fony manontolo ny teny malagasy izy. Zavatra iray mampanontany tena ahy dia ny fahalalana izay heviny amin'izao fanoherana ataon'ny maro an'isa izao ny fampianarana amin'ny teny malagasy izao. Zavatra iray nahavelom-panantenana azy ny fitakian'ny mpianatra tamin'ny 1972 hampianarana azy ny zavatra mifanaraka amin'ny tontolo eto an-toerana ka nahatonga azy hahasoratra hoe "Mahazo maty". Tsy aritro fa omeko anareo aloha:

Isaky ny ady sarotra
izay manambana an-tokonako
Impiry aho no niady varotra
hitombo ny hery hitolomako?

Impiry koa no nirariako
hohalavaiina refy ny androko
hiarovako ny tiako
synyanjara masoandroko?

Ny sandry anefa ity toa trotraka
Kiry sisa mitsingevana
Raha mbola hiady sao dia potraka
fa efa hazo amoron-tevana!

Kanjo, indro, fa nitraka
ny zatovon'ny tanànako:
nifandrombaka sy naka
ilay "fanilo" teny an-tanako.

Nohirainy tsy miambatra
ny fitiavany ny taniny.
Nomeny toky fa ho sambatra
izato firenena maminy.

Lasa teo ny fieremako
ny adi-varotro nofoanako
"Mahazo maty ialahy, ry tenako!
Fa mijoro ny taranako"!

Rado 4 mey 1972

Nijoro tokoa manko ilay taranaka fa navilin'ny mpanao politika ny lalana, nosimbainy ilay filamatra ka maro no miaka-tosi-dra raha vao maheno teny hoe "fampianarana amin'ny teny malagasy". Misy ihany koa ny tsy mitsahatra ny mamerimberina fa teny merina ihany io fa tsy teny malagasy ary fitadiavana hanaovana ny imperialisma merina sy fanandevozana ny tanindrana ny fikasana hampianarana amin'ny teny malagasy. Na izany na tsy izany lehilahy voky andro no nandao antsika ary ny mpanakanto tsy mba maty koa ho tsaroan'ny taranaka fara aman-dimby anie ny soa rehetra navelany ho antsika.

Ahoana ny hevitrao: Hivarotra ny tiko tokoa ve Ravalomanana?

2008-09-15 @ 16:32 in Toekarena

Manonjanonja moa ny toe-draharaha amin'izao fotoana izao ka mandeha daholo amin'izay ny paik'ady rehetra. Tamin'iny hernandro iny no nisy do-tandroka nilazana fa mety hiala Ben'ny tanàna i Andry Rajoelina. Tsy naheno izany filazana izany mihitsy aho aloha satria tsy maharaka gazety loatra rehefa dinihina. Dia nanambara moa ny Ben-ny tanàna fa hamita hatramin'ny farany ny fe-potoana iasany izy. Dia asa raha raha ao anaty paik'ady amin'izao fotoana izao ihany koa ny filazana etsy sy eroa fa hamidin-dRavalomanana ny tiko (ilay mpanao ny yoghurt, ronono ary fromage). Tsy ialany ny menaka sy ny vary, tazoniny ny magro sy ny mbs fa ilay tiko ihany no alefany.

Aminao ary: azo inoana ve izany mety ialan-dRavalomanana amin'ny  tiko izany?

 

Andry Rajoelina: Invité de zoma endriny hafa

2008-09-13 @ 10:19 in Politika

Ataoko fa nandrasan'ny maro ny resaka nifampitafan'i Onitiana Realy tamin'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo renivohitra Andry Rajoelina amin'ilay fandaharana fifanazavan-kevitra isaky ny zoma ao amin'ny Tvplus. Io fandaharana io dia manana ny toerana fanaovana azy ao amin'ny trano fiasan'ny tvplus ao Anosizato Atsinanana ao. Izaho izany raha manoratra eto dia manana fijery mpanohitra ny fitantanana an'Antananarivo, noho izany anjaranao ny mandanjalanja izay lazaiko.

Fanamarihana voalohany, fanindroany izao araka ny fitadidiako no vahin'ity fandaharana ity ranamana ity nefa dia samy tsy nisy tao amin'ny toerana (desk) fanatontosana ny fandaharana hatrany no nanaovana izany; ary araka ny fitadidiako hatramin'izay nisian'ny fandaharana dia i Andry Rajoelina irery ihany no nanaovana zavatra miavaka tahaka izao. Na Minisitra aza tsy nanaovana tahaka izany. Ny voalohany raha mbola kandidà ny tenany dia tany an-tokantranony no nanatontosana ny fandaharana. Nentina nanehoana ny hakanton'ny atitrano aloha iny e! Ny faharoa ity indray dia tsy fantatro loatra hoe taiza fa eo amin'ny pilipitran'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra aloha ny Ben'ny tanàna no mijoro na mipetraka... tsy fantatra loatra raha eo amin'ny sary. Mampanontany tena hoe mananjò hangataka toerana hanatontosana ny fandaharana tahaka izany ve izay asain'ny fandaharana invité de zoma rehetra sa fanajana manokana ilay nasaina izao natao izao. Tsy mazava amiko aloha eto ny fitsipiky ny lalao.

Faharoa manaraka izany, mety ho lafiny tsara raha mitohy fa mbola mampanontany tena ihany. Maro ny vahiny mipetraka ao amin'ny fandaharana... mipetraka manatrika eo ihany koa manko ny mpanao gazety avy amin'ny fampahalalam-baovao hafa vitsivitsy sy indrindra ireo mpiara-miasa akaiky amin'ny Ben'ny tanàna sy ny lohalisitry ny mpanolotsainan'ny TGV fony mbola kandidà (tsy adinoina ihany koa ny vadin'ny Ben'ny tanàna). Mila fanohanana maoraly avy amin'ny manodidina azy ve ny Ben'ny tanàna? izay angamba no maha-"fandaharana manokana" araka ny filazan'i Onitiana Realy azy.

Votoatin-dresaka amin'izay, nihaona tamin'ny filoham-pirenena tokoa ny tenany, resaka tekinika fa tsy politika. Amin'ny ankapobeny ny takian'ny TGV dia ny zony mba ho toy ny fahefana ananan'ny mpitondra nandritra ny valo taona teo aloha no ananan'ny TGV vao valo volana nitondrana. Nesorina tsikelikely tamin'ny Ben'ny tanàna manko ny fahefana rehetra teo ampelatanany. Voalohany indrindra tamin'izany ny fanendrena ny sefom-pokontany. Tsy mbola nisy fiovany amnko hatramin'izao ny sefom-pokontany.

Manaraka izany dia nosahiranina hatrany ny Mpitantana ny tanàna. Teo aloha ny filazana ny trosa tsy maintsy aloa, izay mahatratra 800 000 000Ar. NIteny hoy izy ny Banky Mondialy fa tokony ho foana manontolo tamin'ny famafana ny trosa tsy zakan'ny mpitrosa intsony iny trosa iny ka tsy tokony haverina intsony. Tsy maintsy voalaza koa manaraka izany ny resaka fako izay efa niteraka ny sahoan-dresaka tao ho ao. Voalaza ary, hoy izy, fa averina amin'ny CUA ny fisahanana ny fako, fa tsy ny SAMVA... izany hoe araka ny fahazoako azy dia notapahina ny fifanarahana tamin'ny SAMVA satria tsy nanatontosa ny asany ity farany araka ny fifanarahana - ny mety hampifangaro manko dia tsy ny SAMVA izany no averina amin'ny CUA.

Ho valin'ny filazana ary fa toa mimenomenona loatra ny Mpitantana an'Antananarivo (rehefa mandova fitondrana dia mandray ny actif sy ny passif rehetra) dia novaliany fa samihafa ny mimenomenona sy ny fitenenana ny zavamisy. Toa misy manko ny trosa "surprise". Momba ny gare routiere moa dia heveriny hatrany ho anatin'ny konokonon'ny hafa hatrany io. Nefa aleo hajaina, hoy izy, ny sata repobilikana, andraso ny fifidianana ho avy. Momba ny Lapan'ny tanàna kosa dia noho ny vesatry ny fanaovan-draharaha no mampitarazoka azy. Tsy maintsy natao, hoy izy ny "etude de sol" (torohevitra entina hamaliana ny tsikera io araka ny fijeriko satria tany efa nanorenana trano teo aloha ve no hadihadiana indray ny momba azy? nefa aleo ny manampahaizana ihany no hilaza ny zavamisy amin'ny fanaovana azy), fa ho fantatra amin'ny alatsinainy na talata ho avy izao ny hisahana ny fananganana ny trano.

Momba ny fanomezana alalana ny trano ivoriana moa dia nolazainy fa tsy afa-manakana ny fivoriana anaty trano ny tenany rehefa tsy misy mampiasa ny trano. Raha mangataka ny Zoma moa ny mpanohitra satria efa feno hatrany ny fandaharam-potoana ny sabotsy sy alahady maromaro. Izaho indray moa mieritreritra fa ny hivoahan'ny vaovao ho Asabotsy no tanjona ivoriana Zoma, eo manko no tena be mpividy ny gazety. Hatramin'izao ihany koa dia ny Kaominina irery ihany no manome alalana ny fanotorana tany, tsy misy afa-tsy iray ihany ny alalana nomena nandritra ny fotoana efa nandraisany ny fitantanana... malaza dia malaza manko ilay fanotorana tany eo amin'ny Digue amin'izao fotoana izao ka mahalasa saina izay rehetra efa nahita.

Momba ny lalana tsy voamboatra loatra sy feno lavadavaka indray dia nambarany fa tsy an'ny Kaominina irery ny fanaovana azy fa tokony hisy avy amin'ny FER (Fonds d'entretien Routier) ihany koa. Raha tany aloha nahazo vola 18 miliara Iraimbilanja ny Kaominina, ny anay kosa 3 miliara 500 hatramin'izao, tsy ahavitana afa-tsy lalana iray kilaometatra monja. Ny CUA anefa no mandoa vola betsaka indrindra ho an'ny FER. Aoka re tsy hatao zanak'Ikalahafa tahaka ny nanjò an'i Toamasina (sy Fianarantsoa) tsy nahazo na dia iraimbilanja tamin'ny FER ny CUA amin'izao fotoana izao.

Momba ny mpivarotra amorondalana izay miroborobo fatratra amin'izao fotoana izao dia noho ny fikatonan'ny Orinasa afak'haba vao nandroaka an-dalambe mpiasa mahatratra 6000 tamin'ity herinandro ity ary hiakatra ho 40 000 izany afaka roa volana no mahabetsaka ireny mpivarotra ireny. Ezahina noho izany ny hampidirana ireny mpivarotra rehetra ireny ho amin'ny sehatry ny ara-dalàna azy rehetra ary omena toerana malalaka dia malalaka avy eo ka tsy hisy fanampiny intsony avy eo. Eo amin'ity resaka ity aloha dia heveriko tsy hiditra amin'izany toerana izany mihitsy ny mpivarotra rehefa tsy amorondalana be olona izany. Any ihany manko izy araka ny fiheverany no mahazo vola ka mbola ho sahirana amin'izany ihany ny CUA araka ny fijeriko.

Izay raha atao ambangovangony ny resadresaka nifanaovan'ny Ben'ny tanàna tamin'ny mpanao gazety, satria nisy mpanao gazety hafa nanontany ihany koa. Misy ihany ny fanontaniana nanitikitika ahy tsy nolazaina tao. Ohatra: tsy efa niomananareo ve ny olana mitranga amin'izao fotoana izao sy ny olana hafa rehetra mbola ho avy? Aiza ho aiza ny vola azo tamin'ny FAR (Fitiavana an'Antananarivo Renivohitra) sa efa nitsaha-ketrika ny fitia tsy mba hetra nanohanan'ny be sy ny maro ara-bola ny TGV? Heveriko fa iray amin'ny vahaolana ara-bola mianjady amin'ny Kaominina izay voatery manao fitsitsiana manko ny mba mitatitra ny toy ireny. Ny tena fanohanana manko dia ny manampy izay atokisana fa hanatsara ny tanàna. Izaho manokana ohatra tsy manao izany satria tsy matoky ny itantanana ny vola aho, sady izaho koa anie tsy nifidy azy e!

Tokony ho anjara adidin'izay nifidy azy izany satria izaho ohatra efa nanambara fa tsy hanampy na hanome ny anjarany araka izay azo atao ny Kaominina tsy nifidy azy tahaka an'i Fianarantsoa sy Toamasina teo aloha mihitsy ny fitondrana foibe. Efa mahalala izany avokoa ny rehetra ka ny safidy natao mitondra adidy.

Farany, tsy te-hilaza mihitsy ilay Ray aman-dreny nanelanelana ny Ben'ny tanàna sy ny filoham-pirenena mihitsy ny Ben'ny tanàna satria ny filoha mpanorina ny avi teo aloha (Norbert Lala Ratsirahonana) izany araka ny gazety. Fantatra ihany anefa fa maro amin'ny mpiara-miasa akaiky amin'ny Ben'ny tanàna ankehitriny no fantatra tsara fa avi. Tsoriko fa mpanohana avi aho tany aloha fa tamin'ny fifidianana Ben'ny tanàna ihany no nandrotsaka AME ho amin'ny mpanolotsaina ary TIM (fanindroany) tamin'ny Ben'ny tanàna.

Antananarivo Kaominina tsy mahavita azy!

2008-09-11 @ 10:52 in Politika

Dia miala tsiny aho fa hanohitra ny tohanan'ny be sy ny maro eto amin'ity Antananarivo renivohitra ity. Efa fantatra ihany hatramin'izay niasany izay fa tsy hahavita zavatra loatra izy fa fanaon'ny be sy ny maro moa ny miteny hoe "Avelao aloha izy hiasa". Miasa tokoa aloha izy e! fa rehefa vita tapany ny asa dia tena fandravana tanteraka no ataony. Tsy misy hojerena intsony ohatra ilay zaridaina teo amin'ny lapan'ny tanàna nokasaina haorina tsy fantatra izay tohiny.

Raha jerena dia ny hamefena ny toerana haingana araka izay azo natao no nokendrena tamin'iny volana mey iny... mba hanaovana fety eo tamin'ny volana jona, fa raha mbola teo manko ny zaridaina mahafinaritra iny sarotra ny hametrahana ilay sehatra hihiran'ny aritisita. Mba tsy hiverenana amin'ny fanapahan-kevitra intsony dia nongotangotana haingana avokoa ireo zava-maitso nanome endrika ity toerana ity. Rehefa simba tanteraka ny toerana dia sahirana amin'izay fa tazonin'ny fanjakana ny vola tokony ho anay. Tsy misy intsony ahitana taratra amin'izay mety hanohizana ny asa. Fa misy bandy tsy manjary koa, fa toa miray tsikombakomba amin'ny TGV, aloha ao amin'io fanjakana io e! Tsy hilaza ny zaridainan'Andohalo nandraofana ilay somary avoavo misolampy toerana namantarana ny fikabarian'ny mpanjaka taloha aho sao miteniteny foana eo.


Fa tamin'ny alatsinainy maraina raha andeha hanasa sary aho ka nandeha betax nandalo an'iny Anosy akaikin'ny Cercle Centre Franco-Malagasy iny no nahita fiaraben'ny Kaominina Antananarivo renivohitra mitondra rano mijanona soa aman-tsara mibahana ny lalana tokony andehanan'ny fiara. Manondraka ny voninkazo eo manko ny mpiasan'ny fivondronana (tsy laitra fa tsy manavanana ilay Kaominina e!). Satria asa no atao dia tsy raharahiana ny manodidina izay sahirana. Ianao rahateo fiarabe ary tsy hita mihitsy izay ao alohanao ho an'izay ao aorianao. Jereko ny fiara tao aoriana ka efa mahatratra anjatony metatra sahady no mikatso ao aoriany. Sao dia tsy ora hanondrahana zaridaina kosa tamin'io na tsy mety ny toerana nametrahana ny fiara?

Soa ihany aloha fa manana fantsona ry zareo fa raha izany no toy ny an'ny Fivondronana Mahajanga izay ny siny ihany no hanondrahana ny zaridaina dia asa fotsiny ny manjo ny rehetra. Mety hisy koa ny fihomehezana sy ny esoeso mihatra amin'ilay mpikarakara zaridaina.

Mbola resaka zaridaina ihany ary hiverina eny Analakely aho. Na ireo zaridaina sisa tavela aza manko dia miharatsy ny endriny no feno poti-pako any anatiny rehetra any. Nataon'ny mpitondra teo aloha angamba ka tsy hahazoana voninahitra ny manohy ny asany mikajy ho marevaka ity toerana ity. Ny manimba ny endriny tsy ahafahana maka sary tsy misy dokambarotra aza no natao. Vola miditra ho an'iza moa ireny tsatoby fametrahana dokambarotra eny anelanelan'ny zaridaina ireny? Amiko manokana efa nahakasika ny fetra tsy maintsy itenenana hoe aoka izay ny Kaominina nametraka ireny tsatoby fanaovana dokambarotra ireny. Aoka izay sao dia tahaka ny hita any Mahabibo Mahajanga tsy ahafahana mijery ny hakanton'ny tanàna no hitranga eto Antananarivo renivohitra ihany koa. Aoka koa aloha izay ity lahatsoratra etoana ity fa efa betsaka izay ny mitroatra satria ny tiana no kitikitihina.

Tim sa Distim? anao ny safidy!

2008-09-10 @ 11:59 in Politika

Alohan'ny zava-drehetra aloha dia lazaiko vetivety ny fiovana madinika amin'ny anaran'ny bolongana. Natao hoe Maharesaka VETO indray ny anarany satria mihamafana ny toe-draharaha eto Antananarivo raha ny avoakan'ny gazety no tsinjovina. Teraka indray izany fikambanan'ny vahoaka madinika izany. Miala tsiny aloha fa tena mankaloiloy ahy ny mandre izany fitenenana hoe "vahoaka madinika" izany fa ny parasy sy ny kongona no vahoaka madinika fantatro... koa raha te-hitovy torosy amin'izy ireny moa ry zareo atao akory.

Dia tahaka izay indrindra, Maharesaka satria izay rehetra tsy mifanaraka amin'ny eritreritro dia voapala avokoa na iza izy na iza. Tsy tongo-bolo ka tapenam-bava. Eto aloha dia ny Tim no mahazo ny anjarany. Tim sa Distim?

Raha mba manana fahalalana kely tahaka ahy ihany dia toa zavatra mifanohitra tanteraka ireo amin'ny fiteny tandrefana. Ohatra: Ny mifanohitra amin'ny qualifié dia ny disqualifié eo amin'ny teny Firantsay. Raha jerena indray ny teny angilisy ny mifanohitra amin'ny appear dia ny disappear! koa ahoana indray ity distim fototry ny tim ity? angamba manko raha natao hoe timdis dia milaza fa diso ny tim amin'iny. Raha izao manko mba hoe fivondronana ihany no nilazana azy fa tsy izany disitirika mba olana iray voavaha amin'ity anarana hafahafa ao amin'ny tim ity.

 

Ahoana ireto haintrano mampieritreritra ireto?

2008-09-09 @ 19:51 in Andavanandro

Noho ny hamaroan'ny trano hazo eto amin'ny tanàna angaha fa dia misy mandrava trano ampolony na anjatony mihitsy izy izany. Noho izay fanorenana amin'ny hazo mora mirehitra izay ihany ve fa dia misy anaran-toerana vao re fotsiny dia mampiteny hoe "izay indray", resy indray ilay afo fanangana tao Antongona raha vao mananontanona hanafika eto Imerina ny Sakalava nahatonga ilay fitenenana hoe "efa ho lava tahaka ny afon'Antongona".

Anarana malaza loatra izany Antohomadinika III G Hangar izany, impiry isan-taona no re fa trano ampolony indray no may? Tsy haiko aloha na dia tsy manana fo antra loatra aho fa sady kely no hazo ve no andrehetana afo ao anatiny... na dia ny kilalaon'afo mahalasa lavitra ireny ve tsy hanao izay vitany? Fa misy kisendrasendra mampiahiahy mandrakariva ity toe-javatra ao Antohomadinika III G Hangar ity. Nisy ny fotoana hoe tonga ny fitaovana entina hanampiana izay mety ho tra-boina fa vetivety dia maro ny trano may ao. Izao indray vao nahavita ny fivoriany tao amin'ny Auditaurium Ankorondrano Antananarivo tao ny DISTIM Antananarivo renivohitra ary mitetika ny hahazo ny fon'Antananarivo lasan'ny hafa izao dia iny fa nisy trano may indray tao. Azafady indrindra re fa mahalasa saina ilay izy. Efa nahavita nitondra fanampiana sahady aloha ny DISTIM Antananarivo renivohitra fa tsy fantatro raha efa nahavita ny anjara fanampiany ny Kaominina Antananarivo renivohitra e! Sao dia haintrano politika ary ity raharaha ity sanatriavina anie?

Anarana fandre talohaloha ihany koa izany Anosinakoho Mananjary izany. Mbola tsy tany mihitsy aloha ny tenako ary tsy mahalala izay toetoetry ny toerana fa dia matetika may ny toerana tany. Mba tsy re aloha izy tao ho ao fa enga anie tsy ho re intsony satria toa hanala baraka izay olona avy any mipetraka an-tanàna hafa araka ny fiheverako azy izay mety ho diso.

Dia efa rentsika vao tamin'ny faran'ity herinandro ity indray ny tao Ankirihiry Toamasina. Vao amin'ny gazety fotsiny dia tsy fantatra marina ny isan'ny trano may. Loharanombaovao avy aiza angaha ireny isa mifangarika ireny? izao ka raha vao re fa nitondra ny fanampiany ho an'ny traboina ny fitondram-panjakana dia nitombo ho maherin'ny 2 600 tampoka teo ilay tra-boina latsaky ny arivo (800) iny. Tena tsy afaka amin'ny toe-tsaina amin'ny Malagasy maro ve ny manararaotra hanao izay fomba angatahina, hahazo zavatra maimai-poana? Tsy fantatra amin'ny fomba ofisialy moa ny anton'ny afo, fa ny tsilia-tsofina tsy azo amarinina loatra saingy mety hitombina no nandrenesana fa misy olona mitahiry lasantsy betssabetsaka an-trano ihany ao amin'ity faritra ity. Raha miteny azy ny manodidina dia valiany hoe "fialonana ny anareo satria mandeha ny bizinanay". Tsy lasa lavitra mihoatra izay ny eritreritra raha vao re fa poa toy izay (tsy ampy fahefakadiny) no nahamay ny trano rehetra tao Ankirihiry ity. Asa sotasotan'ny manodidina miara-may trano aminy ve no anton'ny afo raha izay toe-javatra izay?

Aiza ny toeram-pandraisana izay tonga isaky ny tanàna?

2008-09-08 @ 10:01 in Ankapobeny

Hiditra tsikelikely amin'ny tatitry ny diako tany Antsirabe sy Mahajanga amin'izay aho. Tsy ho vita vetivety izany fa mety hihoatra ny iray volana aza. Ankoatra izay ny mety ho vaovao hafa ampiataina tampoka. Manintona ahy hatrany na dia tsy misy fiaran-dalamby tonga intsony aza ny garan'Antsirabe. Eo no manamarina amiko fa tonga eo amin'ilay tanàna tokoa aho. Ny anao kosa re aiza ny toerana hahatsapanao fa tonga eto Antananarivo tokoa ianao na tonga amina tanàna iray hafa ianao?

Mahavariana tokoa anie ity toerana ity fa misy vahiny mpitsidika hatrany e? inona re no tena manintona aminy? Ny toerana misy azy ve? sa ny tantarany?

Mbola kely tokoa angaha ny tena fony zatra nankany fa hay kely ihany ity trano ity indrindra raha jerena avy ao anatiny nefa mahafinaritra kosa aloha ny ikarakaran'ny madarail ny toerana e!

Na izany na tsy izany kosa aloha, ny toerana manodidina azy no tena manosika ny tena hankasitraka ny toerana e! na dia itony vato tsy dia manandanja fa manandoko itony fotsiny aza.

Dia mety mbola hitohy ny tantara amin'ny manaraka ary e!

baolina fandaka: Misento indray ny Barea fa nandresy androany

2008-09-07 @ 14:29 in Spaoro

Araka ny fantatry ny mpanaraka baolina fandaka dia androany alahady no nanaovana ny lalao miverina teo amin'ny Barea sy ny Zebra Botsoaney. Efa nanantena handresy mihitsy ny vahiny raha tamin'ny talata teo dia efa tonga haka ny hafanana gasy. Vao tamin'ny alarobia ihany koa no resin'ny Japan Actuel's roa noho ny aotra teo Mahamasina ihany ny Barea raha nanao fitsapana.

Efa nampanatena rahateo sady be fanantenana ireo ekipa ireo satria na dia resy aza amin'ny lalao fitsapana no mandresy izy amin'ny lalao tena izy. Tamin'ny fidirana voalohany no tafiditra ny baolina ka nandresen'ny Malagasy iray noho ny aotra... tsy niova intsony io isa io ka nampientanentana ny fanafihana nataon'ny vahiny sy ny vali-bontan'ny malagasy. Samy tokony ho nahatafiditra baolina rahateo na ny andaniny na ny ankilany.

Voalohany ao amin'ny sokajy misy antsika ka manana isa fito noho izany ny Ivoariana. Faharoa isika manana isa enina. Fahatelo manana isa dimy ny Botsoaney ary fahaefatra farany manana isa efatra kosa ny mozambikana.

 

Biraom-pokontany: nitana ny teny nomeny ny filoha

2008-09-06 @ 14:23 in Politika

Mbola avy amin'ny fandehandehanako teo ihany, raha nizotra kely nianatsimo sy nianavaratra andrefana aho no nahatazana irony trano efajoro miloko mavo sy manga irony, iray isaky ny tanàna somary bebe mponina ka azo heverina hahavita fokontany iray. Nanontany izay olona teo akaikiko aho aloha hoe: ireny ve ny biraom-pokontany, nihatoka nanaiky ny lohan'izay nahalala. Ny manaraka ny lalam-pirenena fahafito dia tsy misy anaram-pokontany fa ny tamin'ny lalam-pirenena fahaefatra kosa voasoratra tsara ny anarana.

Nalaiko sary mihitsy na mirifatra aza ny fiara saingy mbola tsy nentiko taty ampiasana moa fa amin'ny manaraka mametraka azy eto ihany. Nisy ny toerana tsy mbola nijoro ny trano fa hita kosa fa andalam-panamboarana. Noho izaho tsy nihetsika firy eto Antananarivo renivohitra no tsy mahita trano vaovao mijoro fa rehefa mandeha amin'ny tanàna kely kosa dia mahita tsara mihitsy. Mba tsy nandiso fanantenana kosa ho'aho ny filoham-pirenena tamin'ity tranga iray ity...ary azo heverina fa nahatsangana trano 10 000 mahery izy raha ny trano voaorina manaraka ny lalam-pirenena nandehanako no tarafina. Tsy fanatra anefa izay tena marina amin'iny aloha.

Fa zavatra hitako tamin'iny faritry Vakianakaratra iny ihany kosa ny fijoroana trano vaventiventy ho ana kaominina ambanivohitra lehibebe. Lehibebe ihany koa ny trano ary azo tarafina ho Biraon'ny Kaominina ihany koa.(Misy sary ihany koa ity fa dia amin'ny manaraka apetraka, loza koa fahateren'ny fotoana ity). Azo lazaina fa te-hametraka fa miasa hatrany ambanivohitra ny fitondrana amin'ny zava-bitany ka tsikaritro aloha.

Matanjaka kokoa ny Zain

2008-09-03 @ 12:38 in Toekarena

Ekeko tokoa fa tsy dia tiako loatra ny loko sy ny mariky ny Zain fa raha ny tanjaka kosa dia tena manana izy araka ny fijeriko. Teny andalam-pivezivezena manko aho dia ninia nampitaha ny Zain sy ny Orange eo amin'ny fahazoana miserasera eny an-dalana eny. Efa reko ihany fa tsy misy fahatapahana mihitsy ny fahazoana miserasera Zain amin'ny lalam-pirenena faharoa. Dia nohamariniko kosa ny lalam-pirenena fahafito Antananarivo hatreo Antsirabe. Raha tsy tapaka mihitsy ny reseau ho an'ny Zain afa-tsy tamina faritra iray izay ihany dia zara raha manana ny reseau-ny kosa ny an'ny Orange.

Nojereko indray ny fifandraisana eo amin'ny roa tonta tamin'iny lalam-pirenena fahaefatra mampitohy an'i Mahajanga sy Antananarivo iny dia toraka izany hatrany. Vitsy loatra ny faritra ahafahana mifandray amin'ny alalan'ny orange nefa ny an'ny Zain dia betsaka tokoa no ahafahana mifandray aminy na dia misy toerana vitsy aza tsy ahazoana azy. Marihina fa tsy manana ny tambazotra telma aho ka tsy fantatro mihitsy ny azy. Raha amin'ny lalam-pirenena izany dia matanjaka kokoa ny Zain miohatra amin'i Orange. Fampitahana tsotra ny ahy fa tsy nisy nanakarama aho.

K.O. i jentilisa

2008-09-01 @ 20:08 in Ankapobeny

Rehefa nitsangatsangana i jentilisa ka niditra niasa dia nanavy satria tsy nihinana fanafody noho ny moka ny noho ny fiovan'ny toetr'andro izay efa nilazana azy ihany. Tsy mahagaga izy raha tsy manoratra firy no sady tsy nijery mailaka mihitsy ihany koa. Mbola velona ihany anefa izy ka mahasoratra na dia fohy dia fohy aza. Ho avy ihany izy rehefa miverina tanteraka ny fahasalamany.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Septambra 2008 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30        
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox