Lalao sy Tojo Ravalomanana: Ilay fanakanana - fandrarana naharitra ora vitsy!

2014-10-18 @ 09:00 in Ankapobeny

 

Amin'ny fotoana anoratako ity lahatsoratra ity dia mbola tsy nahita izany gazety izany aho. Na voalaza an-gazety na tsia dia tsy maintsy tahirizina ihany ny raharaha na dia manjavozavo tanteraka aza tamin'ny fotoana nanoratana. Tonga teto an-tanindrazana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nanao valandresaka tamin'ny mpanao gazety izy ary nalaina an-keriny tao an-tranony noho ny filazana fa nanao teny fihantsiana izy nandritra izany valan-dresaka izany : "Tsy mahandry izany 2018 izany aho...". sns...

Navezivezy amin'izay ilay filoha teo aloha, ho fiarovana ny tenany, tsy nomena raha tsy efa ora maromaro aty aoriana ny toerana hametrahana azy. Tamin'ny voalohany dia noheverina fa natoka-monina tetsy Arivonimamo na tao Mantasoa na tany Ambatolampy ny filoha teo aloha, saingy nisy ihany ny nahatsikaritra fa nandeha niakandrefana, lalam-pirenena fahaefatra, ilay fiara nitondra azy. Avy eo nisy ny nitantara fa noraisin'ny angidimby tao Maevatanana ilay olona ary nentina tao Mahajanga, tao no nameno solika ilay angidimby ary niato kely tao Antsohihy ary niafara tao Antsiranana ny takariva. Nisy nanoratra avy eo fa natodi-doha ho any Morondava indray ny dia rehefa tonga ny ampitso maraina, toa miandry fankatoavana ny hamerenana azy any Afrika Atsimo, saingy niverina nankany Antsiranana ihany nony farany, tsy nanaiky ny hamerenana azy any Afrika Atsimo ny tany. Teo ny fianakaviana isoloan'ny vadin'ny filoha teo aloha tena sy ny zanany lahimatoa nanapa-kevitra ny hijery azy any amin'ny toerana anokana-monina azy ao amin'ny tobin'ny BANA ao Antsiranana.

Nanokana fotoana handehanana any ary izy mianaka voatonona teo, saika hiainga ny folakandro saingy voalaza fa mbola tsy ara-dalàna ilay fiaramanidina saika handehanana. Voatery ny ampitso maraina indray vao manainga. Tonga tany dia nisy ny fihaonana, voalaza fa indray mandeha ihany no mahazo mihaona. Tsy fantatra ny fahamarinan'izany fa dia izay no lazain'ny fianakaviana. Voalaza ihany koa fa efitra tokana sady ahitana fandriana no ahitana toera-pivoahana sy fisasana no nametrahana ilay filoha teo aloha ary mihidy avy any ivelany ny efitra misy azy. Nanambara izany ireo olona nandeha tany fa hanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety rehefa tody eto an-drenivohitra indray. Miteraka olana ho an'ny mpitondra izany toe-javatra izany, andro zoma mialoha ny asabotsy no anatontosana ny valan-dresaka. Na ny mpanohana na ny ao amin'ny fitondrana dia samy mahafantatra ho azy, noho ny zavanisy teo aloha fa ity andro asabotsy ity no andro saropady indrindra ho amin'ny fitohizan'ny tolona na ijerena ny laza sy ny fanarahana ilay olona nohidiana atoka-monina.

Noho ny fitandremana be loatra ve sa noho ny fanambarana amin'ny onjam-peo niantsoan-dRamatoa Ravalomanana ny vahoaka malagasy hijoro noho ny tsy fametrahana amin'ny tokony ho toerana sahaza azy ny vadiny, izay azo raisina ihany koa ho fiantsoana ny olona hidina an-dalambe, fa dia tsy navela hitody eto Antananarivo ry zareo. Mody nolazaina tamin'ny Malagasy mpanara-baovao fa ny fiaramanidina no tsy afa-mandeha nefa tsy voafitaka amin'izany i Tojo niantso mpanao gazety tany Afrika Atsimo tamin'ny finday :
"Tafahitsoka eto Antsiranana izahay. Tsy gadraina izahay fa arahin'ny miaramila maso - manao fanamian'olon-tsotra ny sasany amin'izy ireo." Tsy tian'ny fanjakana hanatontosa ilay valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety nomanina ny atoandro ry zareo dia mody any amin'ny zavatra hafa no lazaina misy fahasamponana. Nilaza mivantana ny Inner City Press fa voarara tsy mahazo mody an-drenivohitra ireo ao amin'ny fianakaviana nitsidika ny filoha teo aloha.

Tranonkala iray eto an-tanindrazana indray, sady mitondra ny anaran'i Lalao Ravalomanana rahateo, nahasahy niteny fa tsy mahazo alalana  hifandray amin'ny any ivelany (amin'ny hafa?) ry zareo tamin'ny telo latsaka fahefany folakandro [zoma] rehefa nahavita ilay antso tao amin'ny radio Antsiva nandritra ny vaovao amin'ny iray latsaka fahefany ary tsy mahazo mivoaka ny tanànan'Antsiranana. Niala izany fandrarana rehetra izany rehefa tonga ny tamin'ny enina ora hariva ary afaka mandray ny zotram-piaramanidina mahazatra ry zareo. Dia izay no fitantaran'ny sasany io andro zoma 17 oktodra io.




Jentilisa 18 oktobra 2014

Raharaha Ravalomanana Marc : Ny tohiny no tena andrasana

2014-10-14 @ 09:01 in Politika

Nigadona teto an-tanindrazana omaly, tampotampoka, ny filoha teo aloha voahongana, Marc Ravalomanana. Samy baraingo ho an'ny rehetra ihany nandritra ny tontolo andro omaly ilay fomba fahatongavana fa efa misy tara-pahazavana kely ihany azo heverina hatramin'ny fotoana nanoratana.

Fantatra aloha fa tsy ho niafina ny nandehanany teto Madagasikara raha ny lafiny hoe toy ny mpangalatra ny nidirany teto fa tsy maintsy nisy firenena vahiny nandray anjara tamin'izany fampidirana azy teto Madagasikara izany. Raha raisina ny antsafa nifanaovan'ny filoha Ravalomanana tamin'ny mpanao gazety dia nisy ny filoham-pirenena saiky hanatitra azy saingy tsy nekeny izany fa izy tenany samirery ihany no tiany ho tonga teto. Raha raisina amin'izay lafiny iray izay dia azo heverina fa efa fantany tsara ny mety ho fomba rehetra hanakanana azy tsy higadona teto raha nisy ny filazana izany ankarihary teo imason'ny rehetra. Efa sosotra ihany ny tena tamin'ny Asabotsy alina raha nandre azy niteny hoe tsy ho ela intsony dia ho tonga izy, saingy hay tonga tokoa ranamana ny alatsinainy manaraka ny antso an-telefonina nataony. Tonga eto an-tanindrazana izy dia izay aloha aloha ny zavamisy, "eto aho izao!" hoy ny ambentin-teniny.

Efa fantatry ny rehetra ihany fa ankoatra ny tsy fahazoany ny pasipaorony dia tsy avelan'ny Fitsarana Afrikana Tatsimo hivoaka ny sisintaniny ihany koa ny filoha Ravalomanana noho ny fitoriana napetraky ny AV7 hoe nandripaka vahoaka izy. Tsy maintsy ho nahagaga ihany noho izany raha navelan'ny fitondrana ao Afrika Atsimo hody eto an-tanindrazana izy raha toa manana ny heriny ilay didim-pitsarana tsy mamela azy hivoaka raha tsy misy ny alalana manokana. Re (andeha atao hoe siosio) fa efa nakaton'ny Fitsarana Afrikana Tatsimo ity raharaha ity satria tsy nety nanome ireo singa fanamelohana ny mpitory ary tsy navela higadona eto an-tanindrazana ireo te-hanao famotorana ilay raharaha. Efa fantatra rahateo fa paika hitazonana azy tsy ho tafavoaka ao Afrika Atsimo io raharaha io ary niniana natao izay hampitarazoka ilay raharaha. Ankehitriny, re (siosio satria tsy manana fanampim-baovao ny tena!) fa nakaton'ny fitsarana tamin'ny herinandro ilay raharaha, tsy hay izay antony fa mety noho ny fiheverana hoe fitoriana tsy matotra satria tsy misy na inona na inona natolotra ary tsy misy na inona na inona eo ampelatanan'ny fitsarana ahafahana mampandroso ny raharaha ho any amin'ny fanadihadiana sy ny fotoam-pitsarana. Fotoana izany nohararaotina hanafainganana ny dia hodiana an-tanindrazana. Dia io izy tonga tsy nisy "fifampierana" io! Mariho hatreto fa tsy izao voasoratro izao no marina fa famakafakana avy amin'ny zavamisy fotsiny no atao.

Rehefa vita fotoana vitsivitsy moa ny antsafa nifanaovana tamin'ny mpanao gazety dia re fa efa nosamborina tamin'ny fomba mahery vaika ny filoha Ravalomanana, notifirina tamin'ny basy ny vavahadin'ny tranony hamohana azy. Notadiavina eran'ny trano izy ary nosakelehana sy nambanana basy rehefa nampidirina anaty fiara. Ny fandrenesana izany fitantarana izany dia ahatarafana fa tsy hoe fisamborana no natao, ary hatreto dia marina ny kabarin'ny filoha Rajaonarimampianina, fa fakana an-keriny, iny indray no tsy tafiditra anatin'ny kabary. Tsy nisy fotoana nandrenesana hoe :"Miangavy anao izahay hanaraka anay ianao!" na ny mifanahatahaka amin'izany fa dia ilay fihetsika voatantara teo no nalaza. Izay fakana an-keriny izay no nahatezitra ny maro, fihetsika tsy mendrika mihitsy, nefa ahatarafana sahady ny fihetseham-pon'ny mpitondra manoloana ity rangahy anankiray ity.

Raha vita ary ireo fihetsika ireo dia manao ahoana no tokony ho tohin'ny tantara, araka ny fahita hatramin'izay? Voalohany, raha tena resy lahatra amin'ny politikany fa tsy jamban'ny fitadiavan-tseza ireo vaventiventy tao aminy notolorana fahefana, indrindra fa hoe minisitra izy, dia tokony miala avy hatrany amin'ny governemanta tsy misy fifampierana, tsy mila fanontaniana na amin'iza na amin'iza. Manaraka izany ireo solombavambahoaka voafidy kosa tokony hanao fanambarana fa tsy ao anatin'ny sehatry ny fanohananana ny mpitondra intsony fa efa mpanohitra ny fitondrana noho ny fihetsika tsy mendrika natao tamin'ny mpitondrany. Ny ambiny, anjaran'ny tsirairay indray iny.

Na ho inona na ho inona dia maro no mitovy hevitra amin'ny fahasahian'ity filoha teo aloha ity nody na dia miandry azy aza ny didim-pitsaran'ny nandresy efa manameloka azy. Vitsy ihany no manana izany fahasahiana izany, satria efa hitan'ny rehetra ihany fa tezitra amin'izao fodiana amboletra izao ny ao amin'ny fitondrana. Sarotra ihany anefa ny hieritreritra fa tsy hisy tohiny ity raharaha ity ary efa niakatra ny soratra (amin'ny sarimihetsika) araka ny filaza fony tanora.


Jentilisa 14 oktobra 2014

Broken Vow : Raha te-hahazo ny tantara (lahatsary) iray manontolo

2014-10-02 @ 23:30 in Kolontsaina

Fony fahatanora aho no liana ihany, toy ny maro tamin'izany fotoana izany, ny hanaraka telenovela. Raha ny fitadidiako dia Marimar no telenovela narahin'ny rehetra voalohany teto Madagasikara tao amin'ny matv. Ireo telenovela nalaza dia saika avy any Amerika Atsimo avokoa ary raha niserana tany amin'ny firenena iray tany Amerika Atsimo ny tena dia nahita mihitsy fa maro ny telenovela any. Raha ny fijerena fotsiny amin'izao tsy misy fandalinana lalina dia ny Breziliana sy ny Meksikana no tena malaza amin'ity telenovela Amerikana Latina ity na dia mety ho tsy ambaka izany aza ireo firenena hafa.

Efa ho lava moa ny andian-tantara telenovela no sady lavalava avokoa ny ankamaroany ka dia tsy te-hanaraka intsony aho. Raha te-hijery sarimihetsika aho dia sarimihetsika hitako ny voalohany ka hatramin'ny farany no tiako fa tsy lasa indray hitaintaina hoe hanao ahoana ny tohiny, ny tohiny izay mety ho tsy hita noho ny firavana taratara, na tsy ho tratra ny fanombohan'ilay tohiny fa misambotra antenantenany eny. Noho izany toe-javatra izany dia tsy miraharaha intsony izay hijery andian-tsarimihetsika aho. Izany akory tsy midika fa raha misy sarimihetsika indray mipalaka (hita ny fanombohany ka hatramin'ny farany) dia iny fa hijery.

Tena tsy maharaka sarimihetsika toy ny taloha intsony aho na frantsay izany, fa tena mahagaga ahy fa tsy tiako mihitsy ny sarimihetsika frantsay ka tsy mampihomehy toy ny tamin'ny  taompolo 1960 ireny. Tsy maharaka sarimihetsika amerikana ihany koa aho na dia somary mirona kokoa amin'ny Amerikana aza. Tsy marisika loatra ny hijery ny sarimihetsika malagasy ihany koa aho, na dia atao hoe ireny aza ny vokatry ny tany : asa vokatry ny lazan'ny "tantara gasy" koa angamba fa raha mijery dia tena tonga tokoa amin'ilay hoe mba hanala azy tokoa angaha fa tsy haka lagy amin'ilay dokambarotra aharihary tampoka eny antenantenany eny.

Fa ny nahagaga ahy dia voasarika indray aho ny hijery telenovela tamin'ity taona 2014 ity, na ny marina kokoa tamin'ny volana lasa teo raha naka "fialan-tsasatra noho ny asa" aho. Io nataoko lohateny io ny lohatenin'ilay andian-tantara ary tantara filipiana izy io. Mandeha ao amin'ny tv record izy io amin'izao fotoana izao. Tsy haiko loatra izay ora fanombohany, fa efa eny an-tenantenany, na efa any amin'ny dokambarotra manasaka ny tantara hatrany aho vao tonga ao an-trano. Io telenovela io no arahin'ny ato an-trano (vavy no maro an'isa) ka tsy afa-manaraka ny fanombohan'ny vaovao hatrany aho ankoatra ny hoe ny vaovaon'ny tv record indray no andrasana rehefa vita ny ampahan'ilay andian-tantara. Fa inona no nanintona ahy tamin'ilay tantara?

Voalohany angamba noho izy avy any Azia (nisy andian-tantara koreana heveriko ho mitondra ny lohateny hoe Kiss izay koa mba nahafinaritra ahy tao amin'ny Dreamin'tv fa efa vita izy io). Endrika tantara hafa indray no hita ao na dia tantaram-pitiavana aza no manjaka aminy. Rehefa mitsiritsirika sy mitady ato amin'ny siniben-tserasera ato dia tokony ho tamin'ny taona 2012 tany ho any no nivoahany. Amin'ny teny frantsay moa no anarahana azy amin'ny fahitalavitra fa ato amin'ny aterineto izy dia teny filipino misy fangaro anglisy no henonao. Efa nisy firenena vitsivitsy, Aziatika sy Afrikana, nandalovan'ny Broken Vow ary malaza ho azy ny hira famantarana azy. Mety ho liana tsy fidiny ihany koa aho angamba noho ny fanarahan'ny ato an-trano azy, na dia fantatra amin'ny fanetsehana karazana fihetseham-po rehetra toy ny alahelo sy ny ranomaso, fifaliana sy fahatezerana ary fahasosorana aza ny ankamaroan'ny telenovela.

Nandritra ny fialan-tsasatra teo ary dia nisy fotoana nosikiriko tsirairay tao amin'ny YouTube tao ny ampahany maro tamin'io andian-tantara io na dia misy ihany aza ny dingadingana fa tsy namelako raha tsy vitako hatramin'ny farany indray, na dia niareta-tory nandritra ny alina tontolo aza ka efa mazavaratsy vao nijanona sy nitady torimaso. Dia lasa amin'izay ny hetaheta hoe andeha alahatro ilay tantara haseho anareo mpamaky izay liana ihany koa, fa sahirana ihany. Noho ny fitadiavana tamin'ny alalan'ny mili-pikarohana matanjaka ananan'ny aterineto anefa dia voavaha ihany ny olana ary azo lazaina hoe tsara vintana ihany raha afa-mijery indray azy manontolo, na dia amin'ny teny tsy fantatra aza; tena tsy ahitantsika mihitsy ny teny anglisy na teny frantsay.

Misy lalana roa omeko anareo: ny voalohany ezaka nataoko ihany araka ilay efa nosoratako hoe nasesiko araka izay hitako tao amin'ny Youtube tao fa tsy tena feno izy io. Ny faharoa kosa feno fa ny loharano nakako azy kosa dia mbola tamin'ny blaogy iray hafa amin'ny teny anglisy ihany.

Ny lalana voalohany :

Ny lalana voalohany ary dia ny fomba nahitako azy tao amin'ny Youtube rehefa nametraka ny lohateniny. Voamarika fa tsy nisy tamin'ny anaran'ny lohateniny avokoa ny anarany fa karazan-tsoratra sy laharana 1 ka hatramin'ny 5 hatrany matetika no hita. Raha nikaroka azy aho noho izany dia niainga antenantenany teo amin'ny BFRVDA1 saingy afa-nihemotra nankeo amin'ny BARVCD1 (tonga izany dia io mihitsy no apetraka eo amin'ny fikarohan'ny YouTube) dia manaraka ho azy eo ankavanana eo ny laharana 2-3-4-5 izany hoe BARVCD2 , BARVCD3 , BARVCD4 ary BARVCD5 izay vao miditra amin'ny BFRVDA1-2-3-4-5. Toy izao manaraka izao ny fitohizany narahiko indray alina :

BARVCD1-2-3-4-5
BFRVDA1-2-3-4-5
BRAFVXC1-2-3-4-5
BRSGCA1-2-3-4-5
BTYTHGV1-2-3-4-5
BFRVGA1-2-3-4-5
BRAFCVF1-2-3-4-5
BYAHFA2 mety ho diso lalana angamba aho teto fa ny tao amin'ny tantaran'ny niseraserana no nijereko
BHVGJV1
BHVGAD2-3-4-5
BHSTRBA1-2
BDKENV1-2-3-4-5
BXRBDV1-2-3-4-5
BMSXEV1-2-3-4-5
BRCFIV1-2-3-4-5
BFUWWV1-2-3-4-5
BDHDTSV1-2-3-4-5
BGLKWDV1-2-3-4-5
BMOSBCYV1-2-3-4-5
BDEBDV1-2-3-4-5

Vita hatramin'ny farany ny nanarahako azy tontolo alina na dia mety misy dingadingana aza eny antsefatsefany eny.

Lalana voalohany fanampiny :

Rehefa tapa-kevitra ny hizara azy aminareo aho dia hitady indray teo amin'ny mili-pikarohana google ka nahita ity fifampitohizana lahatsary sady tsy hita ny lohany no tsy hita ihany koa ny farany saingy efa azontsika jerena eo amin'ny lalana voalohany etsy ambony ihany ny tohiny satria nifarana teo amin'ny BXRBDV5 fa azontsika tohizana amin'ny BMSXEV1 araka ny natondroko tetsy ambony ihany. Ny maha-hafa ity fanampiny lazaiko ity dia efa vitsy kokoa ny fahasahiranana hitady ny tohin'ilay andian-tantara.

 

Ny olana moa dia miainga antenantenany efa manomboka fantatr'i Melissa amin'izay hoe ity Felix ity no rain-janany, izany hoe anisan'ny nanolana azy, ilay olona tokony ankahalainy indrindra nefa efa lasa notiaviny.

Ny lalana faharoa :

Azo lazaina ho feno kosa indray ity fanoroana faharoa ity ary afa-miainga hatramin'ny voalohany mihitsy isika. Mariho hatrany fa tsy misy lahatsary amin'ny teny anglisy na amin'ny teny frantsay ity telenovela ity fa amin'ny teny filipino misy fangaro teny anglisy kely, ary mety ho misy teny espaniola ihany koa fa tsy mahafantatra ilay teny espaniola manko ka mety tsy hahatsikaritra izany. Noho ny fanarahana ity andian-tantara ity no lasa nitodihana ny tantaran'i Phillipines ka nahitana fa hay zanatanin'i Etazonia io firenena io rehefa avy zanatany espaniola. Somary gaga tamin'ny fahenoana teny anglisy teny antsefatsefany eny manko no nahatonga hikaroka ny tantaran'ilay firenena.

Tondro voalohany omena anareo dia ny famintinana ny tantara ao amin'ny blaogy FROM TIME TO TIME. Hita ao fa nozaraina ho 93 ny tantara. Tsy ahitanao lahatsary mivantana io blaogy io fa rohy no omeny. Ny tondro voalohany nomeko anareo eto dia famintinana isaky ny fizarana amin'ny teny anglisy.

Tondro faharoa kosa dia ny rohy rehetra, na ny rohy tsirairay amin'ireo fizarana natao 43 kosa indray fa tsy 93 tahaka ny etsy ambony. Raha efa nanaraka kely ny tetsy ambony ianareo dia hahita fa misy lavalava sy misy fohikely ny tantara isaky ny fizarana ka mifanahatahaka amin'izany ihany angamba ny rohy avoakan'ilay blaogy:

Ato ny rohin'ny fizarana 20 voalohany araka ny ataon'io blaogy efa notononina anarana indray mandeha io. Somary midina ambanimbany kokoa isika ao dia hita tsirairay ao ny rohy fa tsy ilay lahatsary avy hatrany.

Ato kosa ny rohin'ny fizarana natomboka tamin'ny faha-20 ka hatramin'ny faha-40. Izany hoe misy miverina in-droa kely izany ilay fizarana mba tsy hisian'ny fifandisoana angamba.

Any antsefatsefan'ny fanazavana ny tantara amin'ny teny anglisy kosa no ahitana ireo rohin'ny fizarana manomboka amin'ny faha-40 ka hatramin'ny faha-43 miaraka amin'ny Akhir izay mety hoe fizarana farany angamba no filaza azy amin'ny teny malagasy.

Efa lavalava ihany izay soratra izay fa na izany aza dia ireo daholo izy rehetra raha liana ihany amin'ilay tantara ianao koa dia mazotoa mijery tsy mahazo izay ambaran'ny mpilalao.


Jentilisa 3 oktobra 2014

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Oktobra 2014 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox