Mialoha ny tsikaritra sy ny fitantarana dia miarahaba ny mpamaky nahatratra ity asaramanitra 2007 fankalazana ny fetim-pirenena malagasy ity. Enga anie mba hahatratra ny tena fahaleovantena tokoa ity firenena mamintsika ity. Manomboka eto dia ny fitantarana ny zava-mitranga ankehitriny eto amin’ny tanàna no lazaiko.
Tiako ihany koa ny manambara fa dia sahala amin’izay tantarain’i Hery ao amin’ny blaoginy ny teny an-tanàna fahazaza. Izaho indray moa tsy tany amin’ny citén’ny tafika fa mifanila amin-dry zareo ihany. Fivoarana ve no misy sa tena efa adino tokoa ny fiaraha-mientan’ny iray tanàna. Raha ny taty aminay aloha da mampahonena mihitsy.
Vao midify ny masoandro ny 25 jona (fa mbola mazava) dia mihitsoka avokoa ny fiara mandeha eny amin’ny arabe lehibebe fa fandalovan’ny maro rehetra eto Antananarivo. Ny farihin’Anosy manko no foiben’ny tanàna amin’ity takariva ity. Te-hijery akaiky ny afomanga efa zary fandefa isantaona manko ny rehetra, na ny kely na ny lehibe. Io no tsy dia nisy loatra tamin’ny andron’ny revolisiona sosialista. Ny tadidiko dia indray ihany no nisy afomanga rehefa 25 jona tamin’izany fotoana izany no sady mahalana be ny fanapoahana azy.
Amin’izao fotoana izao dia efa ifampitadiavana dieny tolakandro ny toerana itazanana ny afomanga. Adino hatreo ny arendrina. Fitondrana ny ankizy hijery fa tsy hitondra fanilo no mahamaika. Mahavariana ihany koa moa fa tahaka ny lasa henatra mihitsy ilay mitondra arendrina. Tsy dia misy firy intsony ny zaza faly hitondra ny kilalao nahafinaritra fahazaza io, eny fa na dia izay natao tanana toy ny jiro kapoaka aza tsy fahafinaretana ho an-dry zareo izany. Lesoka lehibe amin’izy ity angaha ny tsy fifankafantarana sy ny fifaneraseran’ny mpifanolo-bodirindrina intsony sy ny tsy fisian’ny olona mpitarika araka ny tadiavin’ny filoham-pirenena amin’izao fotoana izao. Loza mitatao ho an’ny firenena izany toe-javatra izany raha mandinika tsara isika.
Ny hany mitoetra izany dia izay arendrina arehitry ny olona eny an-davarangany amin’ny alina mialoha ny fetim-pirenena io.
Ambohipihaonan’ny olona faharoa indray ny teny Analakely. Efa fahazarana indray moa io raha vao misy fotsiny ny andro tsy fiasana toy ny amin’izao fotoana izao. Raha mihalefy manko ny fikatsoan’ny fiara any amin’ny arabe lehibebe rehetra dia tsy misy afa-mihetsika kosa ny fiara tafiditra an’Analakely. Tamin’ny 9 ora alina mahery aho no nandalo teny fa tena maro ireo fiara mamono maotera mihitsy. Ny tena olana amin’io fotoana io dia misy ireo vitsy tsy mahatsiaro tena fa mijanona eny afovoany na sisiny mahabahana arabe fotsiny izao. Raha vao tsy hitan’ny polisy manko dia efa izay tiako atao ihany io no manjaka hany ka tsy mitsahatra ny miasa ireto mpitandro ny filaminana ireto.
Fa tsikaritra indrindra dia ny tanora no tena betsaka mifamovoy eran’ny tanàna. Ny atsasaky ny arabe migodana avy eo Andohan’Analakely mankeny amin’ny tahala Rarihasina iny dia efa heverina ho an’ny mpandeha an-tongotra avy hatrany. Mba mivezivezy miaraka amin’ny namana sy mba hanala azy. Fa mahagaga fa tsy dia ahenoana tsipoapoaka loatra na dia amin’ity andro mialoha ny fetim-pirenena ity aza. Asa! Efa lafo ve ny vanja sa enjehin’ny mpitandro ny filaminana izay mivarotra tsipoapoaka? Tsy dia manana vaovao miakasika io aho aloha. Tena mifanesika tokoa ny olona fa mahazo toerana mibahambahana ihany koa moa ireo mpivarotra hanimasaka sy tsakitsaky isan-karazany.
Dia nikisaka ho any ambanin’ny arcades aho fa noheveriko ho malalaka kokoa ny mandeha eny. Kanjo moa dia feno tanora maromaro miara-dalana mipetrapetraka iny lavarangana manontolo iny. Eny ry zareo no mihinana ny tsakitsaky sy milalao karatra. Tsy misy ahafantaranao mihitsy eny hoe fetim-pirenena anie ity ankalazaina ity fa dia izy fety ihany dia efa izy azay. Kely foana ny tsy handingandinganana azy ireo. Hay tokoa moa misy fandihizana idiram-potsiny ao amin’ny Gara ao! Saingy tsy nakany aho hijery izay tao anatiny fa mahimahina ihany aho ny amin’ny fety idiram-potsiny sady tsy voatery hividy zava-pisotro. Tena mba miizaka ny hamalifaly ny mponina tokoa ny Kaominin’Antananarivo renivohitra e!
Rehefa tonga indray moa ny marainan’ny 26 jona (io fa nahitsiko fa misaotra izay nahamarika) dia any amin’ny matso eny mahamasina indray no mitodika nym ason’ny rehetra. Toy ny fanao isan-taona ihany fa ny hany nampiavaka azy kely dia iny nisy alika mpirenireny anankiray tafiditra ny kianja tao anatin’ny matso indrindra. Ahoana koa angaha no nahatafiditra azy io teo? Nihazakazaka ny anao lahy namonjy ny afovoan’ny kianja ka rehefa tonga tandrifindrifin’ny boriborin’ny kianja izy dia nijanona nitoditodika tahaka ireny mpilalao mitady namana hipasiana baolina ireny. Nihoraka I Mahamasina fa tsy nisy loatra ny tahaka ity. Afaka kelikely (tokony folo minitra taoriana) dia nanakaiky kokoa ny mpanao matso ny alika ary manatrika indrindra ny olona ambony no saiky hiavela ampahibemaso. Voatery nandroaka azy ny mpiamina ny filoha iray fa mahamenatra ity ataony. Misy voasazy indray amin’iny aloha!
Fa ny hariva moa dia ny mpanakanto indray no hifandimby hihira eo amin’ny kianjaben’ny Mahamasina ihany. Tsy mbola hitako izay hotantaraina amin’io satria vao ho any indrindra aho io.
Raha nitety ireo toerana notokanana tany Ambatomanga sy tao Androva Mahajanga ny filoha Ravalomanana dia nilaza ny amin’ireo lalàna hampiharina (fotoana ho avy no dikan’ny « h ») eto Madagasikara. Lalàna hampiharina roa no azo atao hoe mafonja tamin’izany :
Ny voalohany dia ny amin’ny kara-pamokarana, ny tonga dia nosoratan’ny gazety voalohany moa raha vao notenenina io resaka io dia ny karatra isan-dahy no nitamberina…asa kara-pokonolona angaha no anarany tamin’ny androny ? Maro, hoy ny filoha ny olona midonana-poana, asaina miasa any ambanivohitra tsy mahavita, rehefa asaina manao birao (an-tanandehibe) tsy mahay. Io kara-pamokarana io ihany koa no fitaovana ahafahan’ny mpamokatra (sy ny mpiompy) mahazo fihenam-bidy na laharam-pahamehana amin’ny esaka famokarana. Amin’io fotoana io dia manana avokoa na ny lahy na ny vavy.
Amin’ny ankapobeny dia hevitra tsara hamporisihana ny olona hiasa tokoa ilay kara-pamokarana. Ary manaraka izany dia mahalala ny adidiny handoa hetra mivantana ihany koa izany. Mifamaly amin’izay anefa dia mananjo amin’izay izy hitaky zavatra matotra na tsaratsara kokoa avy amin’ny fitondrana. Eo no olana : misy ny milaza avy hatrany fa tokony ho karazana « symbolique » ilay fandoavana noho ny tsy fahazarana mandoa hetra nefa aleo tsy manao toy izay ny vidin’ny taratasy aza tsy voaverina akory raha manao io kara-pamokarana io ihany. Alohan’ny hanaovana ny zava-drehetra ihany koa dia tsara dinihana ny mety ho fandrika rehetra amin’ny fametrahana ity kara-pamokarana ity.
Ny faharoa kosa indray dia ny amin’ny tsy fahazoana manambady alohan’ny faha-18 taonany na lahy na vavy. Eto Madagasikara anefa dia ny ambaratonga fototra ihany no fianarana tsy maintsy atao. Raha jerena dia ny any ambanivohitra no tena kendrena amin’ity lalàna ity nefa ny any no tena tsy misoratra indrindra ihany koa ny mpivady (raha misy dia misy ny ny 1/3n’ny mpivady ihany no misoratra) . Vokany mety hanosika ny olona tsy hisora-panambadiana indray ny lalàna tian-kampiharina. Ny tanora amin’io fotoana io « tsy misy atao » ka mety hanaonao foana ny olona. Toa vao maika ho be ny zanaka tsy teraka anaty fanambadiana ara-dalàna dia ahoana ny amin’ny kopiam-pahaterahan’ireny zaza ireny ?
Ny mpiady hevitra, ampian’ny dokotera ihany koa dia miteny fa tsy tsara loatra ny vehivavy raha alohan’ny faha-18 taonany no miteraka ka misy ny miteny fa tokony hisy lalàna mametraka ihany koa hoe tsy mahazo miteraka alohan’ny faha-18 taonany ny vehivavy. Ny filoha tsy manaiky ny fanalan-jaza. Dia ahoana ary raha tsy ampy taona ilay hiteraka ? Misy tokoa ny mafana fo loatra fa tsy mandinika tsara amin’ny zavatra rehetra tokony hataony. Voamarika tokoa fa ilana fisainana lalina ny fanaovana ny lalàna fa tsy tokony hanaraka izay baikon’ny ao ambony hatrany. Aiza re no ahitan’ny filoha mpanolotsaina tena matotra sy tsy matahotra azy e ?
Miaiky tanteraka aho fa tena mitondra fahafinaretana tokoa ny tanàna iray voaravaka voninkazo. Ny trano kelikely feno sy tsara ravaka voninkazo no manintona kokoa noho ny trano lehibe tsy ahitana zavamaniry mihitsy na dia meva aza ny endriny sy ny bikany. Amin’izao fotoana izao dia mihabetsaka tokoa ny zaridaina eto Antananarivo no hitoetra amin’izay anarana mahazaridaina azy izay : ho voaravaka voninkazo. Izay mandalo eto andrenivohitra dia tsy hisy afaka handa io fivoarana io.
Efa nosoratako tany an-toeran-kafa fa efa misy rano mifantsitsitra (jet d’eau) mandrakariva eo amin’ny tsangambaton’ny mpitolona 1947 eo Ambohijatovo. Mbola ivaiva ihany ny fitondrahan’ny rano amin’io toerana io aloha na dia mandeha foana aza izy hatramin’izao. Amin’izao fotoana izao dia noesorin’ny Kaominina ny tsangambaton’i Karl Marx eo amin’ny fihodidinana anoloan’ny Antenimieran-doholona Anosy ary eo ampanamboarana toerana hisiana rano mifantsintsitra tsaratsara kokoa sy lehibe ry zareo. Noheverina hovitaina alohan’ny fetim-pirenena izy io nefa toa tsy ho tratra raha ny fijery azy. Mandroso ny asa na dia izany aza.
Fa miresaka eo Anosy ihany isika dia mba manontany ny olona aho hoe inona no maha-cité des jardins ny cité des jardins eo Anosy Mahamasina io ? fa na tanora eny fa na olondehibe aza toa tsy mahalala ny antony loatra. Izaho ihany koa dia tsy mahalala loatra. Ny hany tadidiko dia izao : tamin’ny andron’ny fanjanahantany dia zaridaina fotsiny no nandravaka iny faritra Anosy sy Mahamasina iny, indrindra fa amin’ilay lalankely mankeny amin’ny anjely mainty efa mihamanja iny. Iny lalankely iny raha ny marina dia toy ny hoe nihalava indroa noho ny taloha. Izany hoe amin’izao fotoana izao dia lasa difotry ny rano na nietry anaty rano ny atsasaky zaridaina fipetrapetrahan’ny vazaha teny. Zaridaina daholo iny tamin’ny andron’ny fanjanahantany hany ka rehefa nasiana fananganan-trano ho an’ny olona ambony tamin’iny toerana iny dia voahosotra ho cité des jardins ireo trano maromaro naorina mbola hitantsika amin’izao fotoana ireo. Aza manontany ny daty nananganana ny trano amiko fa tsy fantatro izany.
Izay mipetraka na mandalo matetika any 67ha eo akaikin’ny fiantsonan’ny fiara mankany Ambohitrimanjaka iny dia efa mety ho lasa saina ihany amin’ity trano vita tsy mety misy mipetraka ity. Trano vaventy sy avo ihany misy rihana efatra raha tsy diso ny fitadidiako. Mifanila indrindra amin’ny Madahotel ary ambadiky ny fiangonana katolika romana Maria manjaka 67ha, manoloana ny arabe lehibe mampisaraka ny 67ha avaratra amin’ny atsimo amin’ny ankapobeny no misy ity trano lasa birao ity. Tokanana atao birao fandraharahana momba ny fakana hetra (Direction Generale des Impots) ity trano lehibe ity. Nafindra ho ao ny birao teny Faravohitra sy ny toeran-kafa izay tsy tadidiko.
Mpandalo eo aho ka hitantara ny momba azy ity hatramin’ny niorenany. Trano fampanantenan’ny filoha Didier Ratsiraka ka anisan’ny nahatafaverina azy teo amin’ny fitondrana ity trano ity. Nifanaraka taminy ny Seimad fa hanangana trano 35 000 isan-taona izy. Rehefa nandray indray ny fahefana ary ny lehilahy dia nanao io trano io ho ohatra amin’ny trano hafa rehetra izay mety mbola haorina. Dia nasaina nisoratra anarana avokoa izay rehetra mitady trano ka afaka mividy avy hatrany izay vita. Nifandrombahana mihitsy izany fisoratana anarana izany.
Somary elaela (roa sa telo taona) teo ho eo vao vita ny trano. Nandrasan’ny maro amin’izay hoe iza sy iza avy ary ny tsara vintana ka nahazo ampahany ipetrahana amin’ity trano ity. Efa nalaza moa fa efa misy tompony avokoa ireo efitra rehetra amin’ity trano vaventy ity. Jerena ka tsy misy mipetraka hatrany ny trano. Niongana ihany ilay filoham-pirenena fa tsy hita izay hipetraka amin’ny trano. Gaga tsy sahy nifanontany loatra ny olona mahita ity trano tsy misy mipetraka nefa tsara tarehy ange e! Dimy taona mahery io izany foana fotsiny.
Na dia tsy misy mipetraka aza ny trano dia misy mpiambina ihany izy io. Ary ambolana aza izay dia vao novolena fefy rindrina sy vy izay lafo vidy mihitsy amin’izao fotoana izao (satria be mpitady na ampiasaina eto an-toerana na aondrana any ivelany). Dia niandry indray ny olona hijery ireo hahazo ny trano. Rehefa tonga ny alina dia efa fijorojoron’ny mpivarotena eo anoloany ary izay mifanaraka amin’izy ireo dia miditra any anaty fefy any ka mankany ambadiky ny trano na mamonjy ny lalantsarany (tsy fantatro loatra tsinona izay tena marina moa izaho rahateo tsy hanontany izany). Izany hoe efa vita ny fifanarahana teo amin’ireo mpijorojoro sy ny mpiambina ity toerana ity. Kanjo izao izy ity ka noraisina hatao biraon’ny mpaka hetra.
Izao manko no mahalasa saina ahy. Ny toerana tahaka itony raha vao fanaovana pasazy toy izao dia sarotra ny manakana ny zatra tsy handalondalo ao amin’ny fanaony intsony. Tsy hoe tsy azo tanterahina fa ho sarotra. Mifanahatahaka ity manko ilay tetezana afovoany mampisaraka an’i 67ha avaratra andrefana amin’ny 67ha avaratra atsinanana nanana ny lazany amin’ny fanaovana pasazy ankalamanjana (na dia andro diavolana aza). Fepetra henjana avy amin’ny fokontany 67ha avaratra atsinanana mihitsy (satria faritra ao amin-dry zareo io) sady nasiana fefy hazo avo be sy fandrarana misoratra ary fiambenana tamin’ny fotoanan’ny fanapahan-kevitra vao foana ny mahatoeram-pivarotatena azy. Ity trano lasa birao ity anefa dia tsy hisy olona hiasa alina ao tsinona ka mety hanao ny fifanarahana mahazatra azy ihany ny mpivarotena sy ny mpiambina ny trano.
Ny fampahalalam-baovao ambava sy antsary dia mitovy fiteny. Zavatra mahazatra tsinona no holazaina. Ny mpakafy faraparany ity taranja baolina fandaka ity dia tsy ny faharesena na ny fandresena loatra no nandrasany fa ny hoe hahatafiditra baolina sa tsia. Tsy niraharaha izay isan’ny baolina niditra intsony ireo fa ny notadiaviny dia ny hoe hitoko ihany ve ireto ekipem-pirenena ireto. Tsy nahazo fahafaham-po tamin’izany ry zareo. Ny tena loza aza dia nahenan’ny mpanazatra indray ny isan’ny mpanafika tamin’ny fidirana faharoa hampidirana fiarovana. Tsy azon’ny mpijery baolina io nefa efa manenjika isa isika tamin’izay fotoana izay. Midika izany fa tsy fantatry ny mpanazatra izay nandrasan’ny mpijery na tsy mitovy mihitsy ny fisainan’ny mpanazatra sy ny mpijery. Baolina 14 izany no niditra tamintsika malagasy tamin’ity fifanianana Can 2008 hatao any Ghana ity nefa tsy nahatafiditra baolina mihitsy isika na dia iray aza. Resy 0 noho ny 2 manko isika tao Mahamasina omaly. Tsy te-hanoratra lava intsony ity tranga ity aho na dia be aza ny tian-ko lazaina.
Vao tsy ela no nanao fanambarana momba ny fandroahana mompera ny fivondronamben’ny eveka teto Madagasikara. Ankehitriny dia namoaka fanambarana indray ny filankevitra maharitry ny fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara. Fanambarana miantefa indrindra indrindra amin’ny kristiana katolika. Ny andinin-tSoratra Masina nanankinana ny fanambarana dia izay voasoratra ao amin’ny evanjely nosoratan’ny Md Marka 10 :49 ary naompana amin’ny lohahevitra manao hoe : « Matokia, mitsangana raiso ny andraikitrao ».
Alohan’ny filazalazana tsotra ny fanambarana dia te-hanoratra ny zavatra voarakitra ao amin’io andini-tSoratra Masina io ihany aho. Tantaran’ilay jamba mangataka eo amoron-dalana eo ampivoahana ny tanànan’i Jeriko. Nandre rodorodon’olona maro ka nahafantatra fa miaraka amin’izy ireo ny lehilahy iray antsoina hoe Jesoa avy any Nazareta. Niantsoantso avy hatrany ny lehilahy nanao hoe ry zanaky Davida ! Jesoa o miantrà ahy ! nitrerona azy hangina ny hafa fa vao maika izy niantsoantso ilay teny teo ihany. Nijanona i Jesoa ka nampiantso azy. Dia nantsoina ilay jamba sady nitenenana hoe : Matokia, miarena fa miantso anao Izy (Jesoa). Niatsambotra nanary lamba teny amin’i Jesoa ilay jamba. Dia nanontany i Jesoa hoe Inona no tianao ataoko aminao ? Dia namaly izy hoe : Mpampianatra o ! ny mba hahitako ! Dia namaly i Jesoa hoe : Mandehana ny finoanao no nahavonjy anao. Dia nanohy ny lalany i Jesoa.
Azo tarafina avy hatrany amin’ny toe-java-misy ankehitriny io tantara kely nakan’ny filankevitra io andini-tSoratra Masina io. Antsoantson’ilay jamba na dia misy mitady hanampim-bava aza. Antsoantso mankarenin-tsofina matoa misy mitrerona azy. Nefa antsoantso mila famonjena no tena fotony. Raha ampitahaina ny teny ao amin’ny Evanjely sy ny lohahevitry ny fanambarana dia ampidirina ho antson’i Jesoa ilay teny handraisan’ny tsirairay amin’ny kristiana katolika andraikitra eo amin’ny sehatry ny fiainam-pirenena.
Ny votoaty tadidy amin’ny fanambaran’ny filankevitra kosa dia maneho fa Apostolin’ny fihavanana ny fiangonana katolika. Tsikariny ny tsy fahampian’ny fifanatonana, ny faharavan’ny harena iombonana, ny herisetra miseho lany any amin’ny faritra ary ny tsy fitokian’ny mpitondra ny fiangonana katolika. Amin’izao vanim-potoana ankatoky ny fetim-pirenena izao dia avoitrany fa iray ny vahoaka malagasy, iray fiteny, iray tany ary iray vatsy. Ao anatin’izay firaisana izay indrindra no tokony hisian’ny fifanakalozan-kevitra. Tsy ekena ny fampisaraham-bazana, ny fananganana ho an’ny tena sy ny fanaovana ho tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Koa manentana ny kristiana katolika tsirairay hirotsaka handray anjara bebe kokoa amin’ny fiainam-pirenena sy ny fampandrosoana ny mpiara-belona ka fitaratra amin’izany i Victoire Rasoamanarivo sy ny frera Raphael Rafiringa ary atao eo ambany fahasoavan’i Masina Maria Imakole. Hatreo ny zavatra voaraiko. Ny fampandrosoana nambara moa dia ny fisahanana ny fampianarana, ny fitsaboana, ny fanampiana ny mahantra ary ny drafitra fampandrosoana isan-karazany ao amin’ny rafitra katolika. Saika adinoko ny famporisihana mba handalina bebe kokoa ny toe-java-misy ankehitriny.
Ny hevitro manokana dia izao : Nanadino ny fampitonena ny tsirairay izy ao anatin’ny ady ambadika (tsy hita maso) izao na nanalavitra izany kokoa aza izy ireo sanatrian’izany. Nanjary hafa dia hafa ny fiantraikan’ny fanambarana teo amin’ny mpihaino tsirairay. Tsy nisy sahy nanambara ny heviny ny olona mpiady hevitra tao amin’ny karajia sy ny kidaona maraina. Samy mitsakotsako angaha aloha.
Ao anatin’ny iray volana entina hanandratana ny teny malagasy indray isika amin’izao volana jona izao. Mihetsiketsika fatratra anatin’izany ny mpandala ny teny malagasy. Amin’ity indray mitoraka ity dia fampirantiana roa no hotontosaina eo amin’ny Tahala Rarihasina Analakely zary toeram-pamantarana rehefa misy kolontsaina malagasy tian-kaseho ny be sy ny maro.
Ny voalohany dia momba ny lamba landy sy ny teny malagasy izay haranty mandrapahatongan’ny rahampitso zoma. Voasoritsoritra avokoa ny vokatra malagasy avy amin’ity landy ity sy ireo faritra tena malaza amin’ny fiompiana (fikarakarana manko e !) landy.Ny faharoa kosa dia momba ny voambolan’ny fihariana sy ny fandraharahana ary ny asa ao anatin’ny teny malagasy. Mbola ho avy moa ity faharoa ity ka tsy hitako loatra izay ambara aloha.
Raha vao nampifandraisina ny resaka landy sy ny teny malagasy dia miantefa any amin’ny resaka ohabolana avy hatrany ny eritreritra. Misy vitsivitsy tokoa ireto azo zaraina eto :
Saro-tiana toa landy mohaka
Ambarivatra an-tanimena : mavomavo ihany fa tian’ny landy
Tahaka ny lambamenan’i Vonizongo : ny maty fonosin-dambamena ary ny velona arahim-potsimbary.
Folihala mampita hady : ny tsinay no fetra
Aza atao fihavanam-bato : raha tapaka tsy azo atohy ; fa ataovy toy ny fihavanan-dandy : raha madilana azo tohizana.
Fitia landy ririnina : tohinina vao mihabary maso.
Ny fihavanana toy ny landy : maty isika ifonosana, velona itafiana, ka ny madilana arahim-panondro.
Lamba landy nasoka hodi-nato, mamerina indroa manana ny antitra
Tiako tahaka ny lamba landy : hitafiana raha mangatsiaka, hisampinana raha faly, hisalorana raha malahelo.
Ireo faritra tena malaza amin’ny fiompiana sy ny famolesana landy indray moa dia eto Imerina, any Isandra ary any Androy. Ny any Androy dia toerana tokana no mpanao azy dia ny ao amin’ny kaominina Ambondro, fokontany misy ny Tsimanankariake sy ny ny Marosy samy avy amin’ny Ntelamitihy izay eo amin’ny 27km miala avy eo Ambovombe Androy. Misy karazany dimy ny lamba mivoaka avy amin’ny fanenomana landy ao amin’ity faritra ity (efatra ihany no nosoratany) dia ny :
Lambalande
Mandia vola
Lamba firake
Sokotry (salaka)
Ny mandia vola moa dia natao lamban-databatra tao amin’ny fampirantiana tao. Ny lamba firake no fanaovan’ny olona tsotra mianjaika (fa lambavositse kosa no fianjaikan’ny mpanjaka ary tsy nosoratany teo amin’ny fampirantiana). Nomarihin’ilay nanontaniana fa avy amin’ny lokon-kazo avokoa no andokoana ny lamba (ka izay no mahabetsaka ny loko volontany lokonkazo sy mainty amin’ny lamban’Androy). Ny fitaovana ampiasainy hanamboarana ny lamba moa dia ny lande, ny hasy ary ny hafondramena (naveriko nosoratana araka ny nanoratany azy mihitsy moa).
Ny tao Isandra kosa dia nomarihina fa tamin’ny andron’AndriamanalinaI no tena nampalaza ity resaka ity tany. Izany hoe azo marihina fa taloha na niara-dalana tamin’ny andron’Andrianampoinimerina araka ny fahalalako azy. Ambalavao be lamba landy angaha no foibe itoerany. Misy karazany enina indray ny lamba nampahafantarina ny be sy ny maro avy amin’ity faritra ity. Rehefa jereko dia ny lokony no tena itondrana ny anarany nefa asa izay tena marina :
Sarimbo landy (mitsoriadriaka mena, volombatolalaka, vony ary manja)
Lamba lahasa manga
Lamba mena
Arindrano landy (mitsoriadriaka mainty sy mena)
Tokotsisina ( miakotso mainty sy mena)
Arindrano landy mainty (mitsoriadriaka mainty madinika)
Ary ny eto amin’ny faritr’Imerina ihany koa moa dia fantatra tamin’ny anarana hoe Soherina ny bibindandy. Radama rainy no nandefa mpianatra hiofana manokana ny fanenomana lamba landy. Jean Laborde koa liana tamin’ity taranja ity ka nampiditra karazana bibindandy vaovao amin’ny eto an-toerana. Amin’izao fotoana izao moa noho ny fandrosoana dia efa misy karazany ny lamba landy naseho ny olona liana. Tsy voatery izay novokarina fahiny ihany no tohizana fa mba mamoaka vokatra vaovao ihany koa ary dia efa manana ny anarana mahazatra ny malagasy maro izany :
Meja
Hasina
Irina
HaingoI
HaingoII
Ikala
Landy bakora
Tao ihany koa no nisy sary maromaro mampiseho sarin’ny filohan’ny fikambanana mpikabary malagasy izay vehivavy amin’izao fotoana izao. Rtoa Andriamboavonjy Hanitriniaina R izay nisantaran’ny televiziona malagasy ny fandaharana JJejo tamin’ny faran’ny herinandro teo ka nandeha tao amin’ny zana-pandaharana jejo avo lenta. Sary vitsivitsy mampiseho ireo akanjo vita amin’ny lamba landy manontolo izay lasa haingo fianjaikan-dramatoa. Sary nahavalalanina ireo nanaraka ny fandaharana satria hainy tsara ny nampiaraka ny « hajejoana » sy ny fahamendrehana. Tsy nanao haingon’adala izy, nampiseho azy ho mpanara-damaody amin’ny didin-damba izy nefa hita tsara fa akanjo maneho ny mahamalagasy no anaovany. Indrisy manko fa raha mba tafavoaka teto ny sary.
Mahoraka tamin’ny rehetra indray ny kabarin’ny filoham-pirenena Ravalomanana omaly teo anoloan’ny lapan’ny tanàna tany Taolagnaro omaly 12 jona 2007 (efa voahitsy e!) maraina. Nametraka ny vatofehizoro (vatofototra no ilazan’ny haino aman-jery azy) anamboarana ny seranana ao Ehoala manko izy tamin’io fotoana io.
Minisitra folo ankoatra ny praiministra ary tompon’andraiki-panjakana maro hafa no niaraka taminy nandritra io fitokanana io sy ny fitsidihana ny toerana hananganana ny ozinina ihany koa moa. Ny ozinina izay eo amin’ny 13km miala ny seranan’i Ehoala eo ho eo. Niara-nijery sy niara-nidinika tamin’ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Qmm moa izy nandritra izany fotoana izany.
Fa ny tena nahasarika ny mpanao gazety sy ny mpanara-baovao moa dia ny kabarin’ny filoha nandritra izany fitsidihana omaly izany. Nivantana tamin’ny mpndraharaha teo an-toerana aloha ny resaka. Niteny tamin’ny Qmm aloha izy. Fantatrareo fa manana ny zavaboary izay azy manokana i Madagasikara koa miteny aminareo aho tandrovy ny zavaboary. Io teny nivantana tamin’ny teo an-toerana io moa mety ho tsy dia mahasarika ny mpampita vaovao.
Manaraka izany dia niteny tamin’ireo mpandraharaha « privé » sasany izy (izay no filazany azy). Fantatsika rehetra, hoy izy, fa miroborobo fatratra ny varotra petrole eto amintsika. Tsinontsinona eo dia misondrotra ny vidin’ny petrole. Hilaza zavatra roa aminareo aho : voalohany, miakatra (mari-toerana) izao ny sandan’ny vola malagasy. Efa niresaka taminareo ny governeran’ny banky foibe tamin’io toe-javatra io. Nefa dia mbola nakarinareo ihany ny vidin’ny solika.
Faharoa manaraka izany, samy mpandraharaha isika, samy manaraka ny vidin’ny solika iraisam-pirenena noho izany samy mahalala ny vidiny. Tsy hitako izay tokony hampakarana ny vidiny tahaka izao. Samy mahafantatra fa produit sensible ny petrole ka nahoana no tsy niera tamin’ny governemanta akory ianareo tamin’ny fampakarana azy ? (araka ny filazan’ny sasany manko dia mila fierana hatrany io fisindrotana io fa tsy ataotao fotsiny amin’izao). Sa niera taminareo ve izy Atoa praiminisitra ? (tsia !). Eto dia manome baiko ny governemanta aho hifampidinika amin-dry zareo amin’ity raharaha ity.
Ho antsika Malagasy ihany koa dia mila miteny sy miray hina isika, ary maneho ny mahalamagasy antsika. Izany no nampandroso ny Japoney, ny Amerikana, ny Alemana. Nampiseho ny mahamalagasy azy izy (izay no teny disony). Rehefa tsy miteny isika dia manao izay saim-pantany izy. Tamin’ity kabary ity moa dia niverina indray ilay teny hoe « mandehana mody » fa noho ny halakin’ny teny nambarany dia tsy araka mihitsy. Ary dia tsinjoko amin’ny gazety moa fa saiky tsy naharaka ny teniny ny maro. Ilay kabary anefa tsy novakiana fa izay tao antsainy ihany no nambarany.
Tsy mampino nefa dia tena izay mihitsy no marina. Ny mpijery rehetra dia nahamarika avokoa. Raha nanao fampitahana ny lokon’ny baolina komavoky ny vovoky ny Malagasy aho talohaloha raha baolina tena madio toy ireny vao novidiana ireny ny an’ny vahiny dia baolina noana indray no nilalaovan’ny Uscafoot sy ny Japan Actuels Manjakaray tamin’ny alahady teo.
Amin’ity indray mitoraka ity aho dia tsy mametraka statistika noho ny tsy fahatratrarako ny fanombohan’ny lalao. Atao hoe afa-po ihany aho na dia izany aza satria nahita ny fidirana faharoa sy ny fanalavam-potoana indroa miditra ary ny fitifirana penalty. Araka ny haavo teknikan’ny lalao eto an-toerana dia nifandanja teo amin’ny vokatra ny roa tonta na dia nanindry tamin’ny lafiny rehetra aza ny ekipan’ny Kaominina nihaona tamin’ny Kartie iray eto an-drenivohitra ihany.
Raha nanaraka ny mpilalao ny mpijery dia gaga amin’ny fanovana baolina hatrany ataon’ireo ekipa roa tonta isaky ny mivoaka ny baolina. Nihevitra aho hoe samy manana ny baolina mahazatra azy angaha ry zalahy izany. Jerena avy eo dia nitovy ihany ny safidin’ireo mpiandry tokonana roa eo ambony kianja. Teo dia efa lasan’eritreritra aho fa misy zavatra tsy mety amin’ny baolina lalaovina eny ambony kianja. Kanjo tokoa rehefa manandrana manao tifi-davitra ireo mpilalao dia hafa tokoa ny fanenon’ny baolina. Mitovy amin’izany dia tsy mety tena lasa lavitra mihitsy io baolina io na dia manezaka aza ny mpilalao roa tonta. Ny mampihomehy aza anie dia baolina mora avokoa ilay baolina maty tamin'io fotoana io e!
Hoy aho hoe dia tsy misy fitsapana baolina ve ataon’ny mpitsara ary tsy misy fanabontsinana baolina ve ao amin’ny kianjan’i Mahamasina. Lalao sangany eto amin’ny firenena no atao na dia samy avy eto Antananarivo aza no milalao. Ambin’izany moa ny tapakila fidirana izay federation malgache de football Champion’s league 2006 (fa tsy 2007) ary miampy ny laharan’ny tapakila fotsiny. Niahiahy mihitsy moa ilay olona niara-nividy tapakila tamiko hoe izy ve ity ? (hevero fa ao anatin’ny fialantsasatra izao nividianako tapakila izao fa mbola mividy tapakila hidirana hatrany izay te-hijery baolina) marihiko hatrany koa moa ireny zavatra mody bitika ireny hijerena ny lesoka amin’ny fanomanana ny lalao fialam-boly rehetra. Tsy misy fanamarihana fa nandalo tany amin’ny vaomieran’ny fampisehoana sy ny fanaovam-pety ihany koa moa ny karatra ka vao maika manalasala hatrany. Sa kopaka isasahana ?
Nalefa tamin’ny televiziona malagasy tamin’ny alakamisy alina teo ihany ilay lalao famerenana nihaonan’ny Ivoariana sy ny Malagasy. Lalao izay efa fantatra ny valiny fa nomontsanin’ny Ivoariana isika. Tsy hoe resy isika dia hangina amin’ny toe-javatra sahala amin’ireny fa mba liana ihany koa ny tena hamantatra ny antom-paharesena. Izay angamba ilay fitiavana.
Andeha aloha hamantatra ny nolazain’ny mpanao gazetin’ny radio nasionaly isika. Nanao fampitahana ny lalao famerenana teo amin’ny roa tonta izay natao tany Cote d’Ivoire moa Atoa Daniel Randriamaro. Hoy izy hoe tamin’ny fotoana nahasangany irery an’i Bakayoko dia montsana 6 noho ny 0 isika tamin’izany fotoana izany. Tamin’ity fotoana ity kosa dia sangany any Eoropa avokoa no nantsoin’ny mpanazatra ary izy 11 nilalao voalohany ka 5 noho ny 0 no azo, izany hoe araka ny nolazainy dia efa nihena aloha ny isa tafiditra tany na dia montsana aza isika. Mazava loatra fa resaka fampaherezana ny ekipa mbola hiatrika ny lalao famerenana amin’ny Gabon no anton’izay filazana izay.
Nahavariana tokoa moa fa dia tao anatin’izay fisainan’ny fankaherezana izay angaha no nentin’ny filoham-pirenena nanolotra baolina 22 ny ekipam-pirenena. Ny alakamisy manko dia nampanantsoin’ny tao amin’ny fiadidiana ny filoham-pirenena ny filohan’ny federasiona. Angamba efa nangovi-bady mihitsy Atoa Ahmad tamin’io fotoana io. Zavatra hafa mihitsy no nandrasan’ny mpanara-baovao fanatanjahantena indrindra fa ny baolina fandaka manokana nefa dia fanampiana no namalian’ny filoham-pirenena izany. Fandroahana mpanazatra na tompon’andraikitra hafa no nampirangaranga ny betsaka nefa diso fanantenana izay niandry izany. Karazana fahatsapana fahadisoan-kevitra tamin’ny fandroahana voalohany sa tsy fitiavana Frantsay fotsiny izao ?
Izay nankafy ny ekipa breziliana ka nahatsiaro ilay faharesena tamin’ny mondial iny dia mety hahatadidy ny fomba fanoratry ny mpanao gazety nilaza io ekipa sangany io. Raha azoko natao dia naveriko daholo ireny teny rehetra ireny. Azo fehezina hoe tsy ireny mihitsy no filalaon’ny Malagasy ary tsy tahaka ireny ihany koa ny toe-tsaina nentina niatrika iny lalao iny. Gaga ihany ny tena mahita isan’andro fa misy ny atao hoe mpikarakara ara-tsaina ao amin’ity ekipa ity fa tsoriko hoe tsy nanao ny asany izy raha tsy hoe nisandoka fahaizana fotsiny angaha. Izay iray nalehany na ny mpanazatra no tsy mahalala akory ny mpilalaony na noterena tamin’ny fomba filalao tsy mahazatra azy ireo mpilalao ireo. Ny mpilalao notsongaina ankoatra ny mahatanora azy dia heveriko fa noho izy ireo mpanao tolotolotra madinika sy mandady amin’ny tany (tranonkala hoy ny mpitantara fahiny). Izay fomba filalao izay manko no andrasan’ny mpijery eto an-toerana (Antananarivo) na dia mety tsy ho ao loatra aza ny vokatra. Nefa ilay lalao hita farany dia ny langalanga sy ny taritarika no tena betsaka. Izany hoe sady be no tia tena, na te-ho vedety, no tsy misy loatra no tolotra tsara nomena ny namana. Raha io fomba filalao hita farany io no jerena dia tokony ho ny As Adema no nalefa tany Cote d’Ivoire. Ry zareo Adema manko no tena havanana amin’io fomba filalao natao tany ivelany io nefa tsy nisy avy amin-dry zareo nantsoina na dia manana ny fahaizana aza toa an’i Tholix izay vodilaharana ankavia te-hiakatra amin’ny irakiraka na fanafihana ankavia mandrakariva.
Voamariko fa tsy nisy tolotra nataon’ny mpiandry tokonana ny fiarovana mihitsy tamin’io lalao io fa dakabe nankany aloha fotsiny no fetra. Tahaka ny hoe manao izay hanalana ny baolina tsy eo akaiky fotsiny no natao mba tsy hahafaty betsaka sy haingana ny mpifanandrina amin’ny tena. Izay baolina nalefa tany aloha izay anefa dia Tsy misy azon’ny mpanafika malagasy izay sady fohy ny kely ny baolina avy amin’izany. Mazava loatra fa ny misambotra ny baolina eny ampelatongotry ny tompontany no tena lahasan’ny irakiraka afovoany fa tsy ny mizara baolina loatra. Ary raha nisy aza ny rindran-damina somary tsaratsara dia tsy azon’ny tokony hamono baolina hatrany izay tolotra farany avy eny amin’ny elatra.
Manaraka izany dia tsy tao mihitsy ny toe-tsaina hiatrika ny lalao araka ny efa nosoratako teo ambony ihany. Marihina aloha fa ny baolina rehetra matin’ny Ivoariana dia avy any amin’ny elatra havanan-dry zareo avokoa. Tahaka ny maneho hoe any ihany no lalana ahafatesana baolina. Tsy fantatra intsony izay tena marina fa tahaka ny kapiteny Jimmy no nitana iny faritra iny. Maimaika tsy amin’ny antony ny mpilalao fa tsy mametraka ny fomba filalaony hitazona baolina hanova endrika ny lalao. Tahaka ny manilika baolina fotsiny no natao.
Nisy aza fanafihana indray mandeha efa nitaritarika ilay mpilalao iray nefa dia nosarihin’ny namany ho azy indray ilay baolina avy eo. Azo fintinina fa tsy nisy lalao iraisana mihitsy nasehon’ny mpilalao malagasy nandritra ny 90 miniotra fa samy manao izay saim-pantany ka dia dobo tanteraka ny isa avy eo. Hita mihitsy ohatra rehefa amin’ny lalao goavana fa rehefa misy fotoana maty fa naratra mila tsaboina nympiandry tokonana dia eo no manararaotra manome toromarika indray ny mpanazatra. Tsy nisy mihitsy izany teo amin’ny mpanazatra malagasy nefa indroa notsaboina i Bruno Jaozara. Tsy mahagaga ny mpanao gazety Ivoariana raha nila resaka taminy ary dia namaly tokoa ilay mpanazatra. Rikoriko tanteraka aho nahita ilay toe-draharaha.
Eto ampamehezana dia voamarika fa indray ihany no nandaka baolina an-joro ny malagasy raha nahatratra sivy izany ho an’ny Ivoariana. Manaraka izany dia mitovy ny isan’ny fahadisoana teo amin’ny Malagasy sy ny Ivoariana saingy ny isan’ny karatra mavo no nahazo roa ny malagasy. Nanana baolina tokony ho tafiditra (Occasions de buts) efatra (telo sy iray) ny ivoariana raha telo kosa (fidirana faharoa avokoa) ny an’ny Malagasy. Ny isan’ny tifitra kosa dia 11 (dimy ny tamin’ny loha) ny an’ny Ivoariana raha 7 izay iray monja no nanandrify anaty tolana ny Malagasy. Marihina fa ilay baolina tafiditry Didier Drogba dia hitako mihitsy fa nihoatra alohan’ny vodilaharana izy vao taty ampiaingana mihitsy. Dimy rahateo ny azy no tratran’io nihoatra ny vodilaharana io izy raha tsy nanao izany mihitsy ny malagasy izay tsy nanana mpitifi-baolina mihitsy tamin’io andro io. Soratako etoana ihany koa fa tsy mahay maka sary mihitsy ireo mpaka sary Ivoariana raha jerena amin’ity lalao ity fotsiny. Enga anie ka ho diso ny eritreritro.
Ny lohateny hatrany no mety ho teny vahiny fa ny lahatsoratra dia amin’ny teny malagasy mandrakariva. Tsy dia havanana loatra miteny na manoratra teny vahiny manko ny tena na dia mety ho mahazo izay lazainy ihany. Io ve no nandaniana ny androm-pianarana dia tsy hisy tavela na dia kely monja aza ? Ny tsikaritra amin’ny fitetezam-paritra ataon’ny mpitondra moa no tena votoatin’ity lahatsoratra ity. Tsy voatery ho zavatra vao haingana fa izao vao angaha ny fotoana amoahana azy amin’izay.
Tanaraid
Zavatra roa no hotantaraiko amin’ity fitetezana an’Iarivo ity. Tsy hoe mitety tanàna mba te-hitsangatsangana ry zareo araka ny fahalalako azy nefa mba nahavariana ihany ny lalana nodiavin’ity fiara misy mialoha sy manaraka ity (cortege). Andro nanambarana ny valin’ny fitsapa-kevi-bahoaka indrindra tamin’izay fotoana izay. Ataoko fa tamin’ny ora niravan’ny fotoam-pitsarana manetriketrika.
Teo Ambohijatovo ambony akaiky indrindra ilay toerana ofisialy nolazaina fa namoanoana ny filoham-panjakana ny Kolonely Ratsimandrava tamin’izay fotoana izay no nosongonan’ity fiara misy mpialoha sy manaraka ity. Amin’ny ankapobeny moa dia matroka ny fitaratra ka tsy ahalalana hoe iza moa no ao anatin’iny fiara iny. Azo ambara kosa fa olona ambony ao amin’ny fitondram-panajakana matoa manan-jo hanana mpiambina sy mpitari-dalana. Avy any Ambatonakanga any izy iny no mihazo toy ny ho any Anjohy. Ny olona mahalala tsara ny eto Antananarivo dia afaka mahavinavina tsara fa tena ao amin’ny tsangambatom-pahatsiarovana ny namonoana ny kolonely voalaza teo aho.
Avy eo raha mbola nidina tamin’iny lalan-kely ambonin’ny lozoka mankany ambanidia iny aho no nahatazana indray ilay fiara sy ny miaraka aminy toa avy any Ankazotokana -Ambanidia any no hihazo an’i Mascotte amin’iny lalana mankany amin’ny Epp Antsahabe sy Epp Ampasanisadoda iny. Izany hoe nandalo ny minimarket sy ny alliance française Antsahabe iny indrindra ireo fiara ireo. Inona no azo tsoahina : azo vinavinaina ho tsy te-handalo ao ambanin’ny lozoka mihazo an’Ambanidia ry zareo. Raha heverina hoe avy any Ambohidahy ny fiara dia mety ho niakatra namonjy ny ambadiky ny Hotel Colbert izy no hitako voalohany. Tsy handalo ny lozoka’Ambohidahy sy ny lozok’Ambanidia izany no tena tanjona sa dia tsy tao an-tsaina izany ?
Tanaraid
Mbola tanaraid ihany ary vao tamin’iny herinandro lasa iny. Teny Mahamasina manoloana ny kianjaben’ny Kaominina indrindra aho no nandalo ny mpisava lalana ho an’ny filoham-pirenena. Soavaly vy roa izy ireo no narahina soavaly vy miisa folo teo ho eo. Avy eo dia fiaran’ny prezidansa (4 x 4 mercedes) tokony ho dimy ratsy filahatra be (filahatra minifi-tsofa) no nanaraka dia narahina mpamaran-dalana avy eo. Fiara amina fitaratra matroka avokoa izy dimy ireo. Dia anjaran’ny mpanatrika no maminavina hoe aiza amin’ireo fiara dimy ireo no nandehanan’ny filoham-pirenena.
Madaraid
Io indray dia ny vaovao fanarahantsika no ahalalantsika ny madaraid ataon’ny mpitondra ankehitriny indray. Fony nosokafana sy nampahafantarina ny Madagasikara Am-Perinasa dia nitety ny faritra 22 ry zareo. Nalaza tokoa moa tamin’izany fotoana izany ny tatitra isaky ny avy mandalo faritra iray ny ao amin’ny fitondrana. Nalaza tokoa ny fanentanana tamin’io fotoana io ka tonga avokoa na ny tsy nasaina aza. Hay moa ka nisy fanasana ho an’ireo manana andraikitra any amin’ny faritra any. Nanjary nampalahelo indray ireo tonga avy lavitra nefa karazan’ny nitanin’andro tany ivelan’ny trano malalaka.
Saiky notohizana isaky ny distrika ilay izy fa maty ho azy teo…na tsy nahenoana tohiny intsony. Efa reraka koa angaha ny minisitra tompon’andrikitra ka nanao hoe aoka izay ?
Amin’izao fotoana izao indray dia avy indray ny filankevitry ny governemanta atao isam-paritra. Dia faritra telo aloha no re. Izany hoe raha heverina dia karazandrazany manao ny fihodinana faharoa mitety ny faritra 22 indray ny mpikambana amin’ny governemanta ankehitriny. Filankevitra kely fa tsy toy ny fanao eto Antananarivo loatra. Minisitra vitsivitsy fa tsy voatery ho izy rehetra no mivory any. Fitiavana te-hanome vahana ny faritra tiana hisolo ny fari-piadidiana niantsoana ny faritany taloha.
Ary tsaroanareo moa ilay hoe hisy minisitra isaky ny faritra nolazain’ny filoham-pirenena iny ? Hay ve ka ny minisitra amin’izao fotoana izao ihany no misahana faritra tsirairay avy ! izay no ao Antsainy. Ohatra fantatro izao dia ny minisitry ny asa vaventy Roland Randriamampionona no miandraikitra ny faritra atsimo andrefana. Izany hoe manana andraikitra toy ny hoe minisitry ny asa vaventy sy misahana ny faritra atsimo andrefana ilay minisitra fa tsy misoratra ao amin’ny asany ofisialy io misahana faritra manokana io. Aza manontany ny an’ny hafa fa tsy ho fantatro ny valiny. Hay ve ilay olona tsy voatery ho avy any amin’ny faritra no ao an-tsain’ny filoham-pirenena. Voa mafy indray izay nieritreritra ny « olona avy aty aminay ».
Worldraid
Ity raharaha manga farany ity indray dia an’ny filoham-pirenena manokana aloha no tena fantatra. Nolazaina fa nentina nitety firenena vitsivitsy (Alemaina sy Shina ohatra) ny Madagasikara Am-Perinasa. Mitady fiaraha-miasa amin’ireo firenena afaka miara-miasa amin’ny firenena malagasy. Tany indray vao niteny ny lesoka nananan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena milaza fa tsy miantraika mivantana amin’ny fampandrosoana akory ny fanampiana ataon’izy ireo. Tsy maintsy mitady ny tombotsoantsika Malagasy rahateo isika na mitady izay ho tombotsoany aza ireo mpandraharaha sy firenena vahiny tiana hiara-miasa amintsika ireo.
Na izany na tsy izany dia lasa ihany ny saiko sao dia tonga amin’ity tononkira ao amin’ny fihirana FFPM ity ny tonombavaka avoakan’ireo mpitondra antsika hoe :
Nivezivezy aho nikaro-java-tsoa,
Izay rehetra hita nandramako avokoa,
Nandany taona maro nanara-tsitra-po,
Kanefa tsy nahazo izay mahafapo ;
Ry raiko feno antra inty ny zanakao,
Ny foko dia mahantra raha lavitra aminao.
Miaina ny atao hoe fanatontoloana tokoa isika amin’izao fotoana izao. Na tiana na tsy tiana, rehefa tsy manana fanapaha-kevitra hanakana ny entana avy any ivelany ny fitondrana dia mitobaka eto hatrany ny vokatra avy any ivelany. Mahita anefa aho fa tsy mitarai-tana-miepaka amin’izany loatra ny mpanao asa-tanana na dia ny asany aza no idiran-doza indrindra amin’ny fahabetsahan’ny entana avy any ivelany tonga eto Madagasikara io.
Fonosana vita taretra (na ahitra voatokana), nataon-tanana, nolokoina lokon-taretra ihany koa araka ny fahalalako azy. Fonosana asiana vatomamy vitsivitsy amin’ny andro fanasana amin’ny mariazy indrindra indrindra. Fonosana kely tsy dia manao ahoana no amidy Ar50 na Ar100 isanisany. Mariho tsara fa tsy vokatra orinasa no resahiko eto fa asa-tanana manontolo. Tsy vokatra miranty amin’ny trano mihaja fa mitalapetraka eny amin’ny toerana ankalamanjana natokana ho an’ny mpanao asa-tanana. Dia lasa ny saina : mahavelona ve io amin’izao vidiny izao ?
Izao manko : marina fa ny gazety amin’ny teny malagasy dia misanda Ar100 na Ar200 ihany koa, izany hoe tsy mifanalavitra amin’ny vidin’ireo fonosana itoeram-batomamy ireo. Saingy ny an’ny gazety dia mivarotra isan’andro izy ary an’arivony ihany koa ny vokatra amidy fa tsy mba zara raha hahatratra anjatony toy ny an’ireo mpanao asa tanana ireo. Ny an’ny mpanao asa-tanana dia izay manan-draharaha hifaliana no tena andrasana. Tia mifety ny Malagasy fa impiry no manao vatomamy anaty fonosana ifanomezana ? Tsy maintsy mahafaninana amin’ny vidin’ireo noafaran’ny sasany anefa ny vokatrao.
Dia hoy aho hoe : Andeha tadiavina hatrany ny hampandroso ny varotr’ireto miezaka amin’ny hery sy fahalalan’ny tena no sady tsy te-hiakin-doha ireto e ! Fihetsika tsotra ihany koa sady tsy lafo loatra nefa mety hahafaly ny rehetra na dia ny firenena mihitsy aza. Ohatra : Na dia fivoriam-pianakaviana tsotra aza no atao dia tolotra anatin’ireny haronkely ireny no hanolorana vatomamy ho azy. Raha misy mamangy ihany koa, na mandeha mamangy ka misy ankizy ao dia tolorana anaty vatomamy hatrany no atao.
Angaha moa vatomamy ihany fa mba mikaro-kevitra amin’ny fanolorana zavatra hafa ho an’ny ankizy ihany. Efa hitako tia poketra vita tsotra sahala amin’ireny aloha ny vehivavy (tanora mitovy taona amin’ny tena na somary zandry ihany koa). Miezaka avokoa ny rehetra dia ho lasa tarazo eo amin’ny ankizy efa zajatra mahita ny karazam-panomezana anatina vokatra vita amin’ny asa-tanana ihany koa ny mampita ny fanao amin’ny taranany. Andeha atao hoe nofinofy ihany angaha ny soratako etoana nefa toa azo tanterahina tsara ihany araka ny fahitako azy. Sa ahoana ?
Izay maharaka ny vaovaom-piarahamonina eto Madagasikara indrindra fa ny eto Antananarivo dia mahalala fa nihaona ny faran’ny herinandro tao amin’ny kianjan’ny Mahamasina ny ekipa iraisan’ny vehivavy mpanao gazety sympanakanto sy ny ekipan’ny sarimbavy tena izy.
Mampihomehy ihany moa fa sariny ve moa dia mbola ho tena izy ihany. Raha izaho sy ny sariko dia samihafa mihitsy. Ny sariko natao ho karazana rakim-pahatsiarovana ihany amin’ny fotoana iray tiana hotadidiana sy homarihana amin’ny fotoana ho avy. Marina fa betsaka ny mihevitra ny tenany ho efa nahita ahy raha efa nahita ny sariko saingy tsy izaho no hitany amin’io fotoana io fa ny sariko ihany. Izaho indray dia amin’izao fotoana ahavelomako eto izao azo iresahana sy anontaniana ary ifandraisana amin’ny mahaizaho ahy, ny zavatra tiako ary ny zavatra ataoko.
Ao anatin’izao fotoanan’ny fandrosoana izao ihany koa anefa dia azo lalaovina araka izay tiana atao ihany koa ny sary. Ny lalao an-tsary (jeux video) malaza amin’izao fotoan’ny sary sy ny fifandraisana izao no ilazako izany. Samihafa tanteraka na izany na tsy izany ny milalao amin’ny sariko sy milalao amiko. Mbola karazan-dalao anaty nofinofy ihany manko ny lalao an-tsary sy ny lalao ahafantarana ny faharerahana sy ny kitra vokatr’io lalao io. Ao anatin’ny lalao an-tsary dia karazan’ny moana ihany ianao fa amin’ny fiainana atrehinao kosa dia afaka miresaka sady maheno izay iresahanao ny afaka mamaly ahy tsara ihany koa ianao. Dia tahaka izay ihany koa ny amin’ireto sarimbavy ireto amiko. Na oviana na oviana tsy ahasolo ny tena vehivavy ireo sarimbavy milaza ny tenany ho tena izy (vehivavy ?) ireo amiko.
Marihiko dieny eto fa ny lohahevitra resahiko dia amin’ny mahasarimbavy ilay olona aloha. Tsy miditra amin’ny lohahevitra hoe lehilahy mitady lehilahy hotiaviny toy ny vady aho eto na vehivavy mitady vehivavy ho vadiny fa ilay lehilahy te-hitondra tena sy hihevitra ny tenany ho vehivavy ka miakanjo sy manao ny fombam-pihetsika ahafantarana ny vehivavy. Ekeko fa mety hifamatotra akaiky amin’ny fironam-pitiavana no mety ahatonga ny safidim-pitafiana saingy iniako aloha ny mametra azy ho amin’ny fihetsika sy fiakanjoana ihany.
Ny famoaboasana soratako dia ny mety ho antony nahatonga ilay olona ho sarimbavy. Ny valiteny fandreko naverimberin’i Francis Turbo moa dia ny hoe tsy ninian’ny ankamaroandry zareo mihitsy ny ho sarimbavy fa toy ny efa voajanahary ao anatin-dry zareo hatrany ambohoka mihitsy. Tao ankibo, hoy ny nolazainy, dia efa nirona tsikelikely ho amin’ny mahavavy azy ny toe-tsainy sy ny fizikany manontolo afa-tsy ny fitaovam-pananahana ihany no nahalahy azy. Taloha moa dia noheverina ho aretina ny mahatonga ilay olona hanana izay fironana izay fa efa niova izay fomba fiheverana izay ankehitriny.
Raha amin’ny fihevitry Francis dia tsy safidy ilay nahasarimbavy azy. Eo izany no toheriko voalohany. Amiko dia vokatry ny safidy tokoa no nanaovany sarimbavy fa tsy « voajanahary » araka ny nolazainy. Mety ho marina ny hoe « voajanahary » tao anatin’ilay olona ny nahatonga azy ho sarimbavy nefa nisy safidy ihany koa ao ambadik’izay. Mety tsy ho izy no nametraka ny safidy fa ny reniny nitondra azy folo volana, moa io safidy io dia vokatry ny tontolo manodidina ihany koa ary mety ho avy amin’ny fahadisoan-kevitra.
Eo amin’ny fitaizana ny zaza dia nomarihin’ny manampahaizana sasany fa eo amin’ny fahaterahany ka hatramin’ny fahatelo taonany no tena manorina ny mahaizy azy ny olombelona tsirairay. Efa nisy aza moa fandaharana nametraka fa raha tiana hanana ny mahaizy azy sy ho tsara fototra amin’ny hoavim-piainany ny olona iray dia tezaina amin’ny alalan’ny mozika sahady aza dieny mbola any ankibo. Eo koa moa ny hoe raha mbola liana tamin’ny fianarana ny reniny no nitondra vohoka azy dia matsilo saina kokoa izy. Tsy mbola haiko moa na tena marina izany na tsia saingy hoy aho hoe azo heverina tsara kosa ny fahamarinany na dia mety tsy ho tonga hatrany amin’ny fahamaotiana aza izany fahatsilovana mialohan’ny fotoana eo amin’ny zaza izany.
Dia manao fampitahana eo amin’ireo fomba fihevitra roa ireo aho ary efa manana izay maharesy lahatra ahy bebe kokoa. Avy amin’ity fomba fihevitra faharoa ity no isintonako ny hevitro. Ny fiforonana sy ny fitomboana ao ambohoka dia miankina be dia be amin’ny reny nitondra azy. Impiry impiry moa isika no naheno hoe naniry lahy na naniry vavy ireo ray aman-dreny sasany. Matetika moa dia zanaka lahy no tadiavina fa misy ihany koa ny mitady zanaka vavy rehefa be zanaka lahy izy ireo.
Nisy moa ny traikefa nataon’ny olona avy amin’ny endriky ny vohoka eo ampitondrana zaza ka manao hoe ity lahy na ity vavy. Ary eo ihany koa ny « akombohoka » (asa raha mety andikana ny echographie io na tsia fa dia toy ny foromporonina fotsiny ihany) izay itarafana ny mombamomba ny zaza rehetra ka tarafina avy amin’iny ny mahalahy ilay zaza. Rehefa tsy hita iny dia tsoahina ny hevitra fa vavy izany io zaza io. Kanjo indraindray dia nahay nanafina ny azy ny zaza fony tao ambohoka dia mety ho nandray anaram-bavy tsy fidiny ny zaza rehefa avy eo.
Eo amin’ny famalian'ny zanaka tadiavin-dreniny izany amiko no mifototra ny safidin’ny zaza ho lasa lahy na ho lasa vavy. Na dia lahy avy amin’ny chromosomes XY aza no nitorotoroana azy tamin’ny voalohany nefa be tao an-tsain’ny reny ny hahavavy azy dia mametraka safidy efa mitongilana be amin’ny zanaka sahady izy. Hamaly eny ny reniny ny hahavavy azy eo amin’ny fitondran-tena ve ny zaza sa hanohitra kosa ary haneho fa lahy no namoronana azy ka hitoetra amin’izay mahalahy azy izay izy ?
Fitarainana mafy sy azo atao hoe ara-drariny ihany matoa efa mahare ny akony ny fitondram-panjakana amin’ny zavamisy miseho any Taolagnaro na Faradofay izay karazandrazan’ny tendro atsimo atsinanan’i Madagasikara.
Raharaha efa ela nikonokononana moa ny resaka fasimainty any amin’ity faritra ity. Adihevitra tamin’izany ny fiantraikan’ny fitrandrahana amin’ny tontolo iainana sy ny manodidina. Ity fitondram-panjakana ity no tena nanafaingana araka izay azony natao ny fifanarahana tamin’ny vahiny amin’ny hitrandrahana azy. Io fahamehana io no antony iray mety ho tsy nahatsinjovana izay lesoka hiarovana ny mponina amin’ireny faritra ireny.
Niakatra izay tsy izy ny vidim-piainana any amin’iny faritra iny. Izany teny izany no malaza ankehitriny. Voasongony vetivety teo I Nosy-Be tamin’ny fahalafosam-piainana. Toy ny tanàna tsy natao ho an’ny malagasy intsony ilay tanàna. Inona angaha ny antony ? Heveriko fa maika ny hampandroso nanadino ny olona tao aminy ireo izay nifanaraka tamin’ny Qit Minerals Madagascar.
Marina fa niezaka ny hanao lalana sy hikarakara foto-drafitr’asa toy ny fanorenana sekoly ny toeram-pitsaboana ny orinasa izay hisahana ny fitrandrahana fasimainty nefa tsy ampy izany ho an’ny mponina ary tsy misy tombotsoa ho azy mihitsy aza. Saiky adinoko koa moa ny fanorenana seranana nolazaina fa ho lehibe indrindra eto Afrika saingy tsy dia ninoan’ny olona loatra moa izay filaza ho lehibe indrindra manerana an’i Afrika izay. Voalohany tiako lazaina amin’ny tombotsoa tsy miantraika sarambambe, ireo mponina ao dia ho ambin’olona amin’ny fitrandrahana mivantana.
Toa mpiasa avy any ivelany (Ivelan’i Madagasikara aza fa tsy mba hoe ivelan’ny faritra Anosy) no maro an’isa alaina. Heverina ho tsy manana ny fari-pahaizana hitrandraka hiasa ao aminy ireo Malagasy mponina any. Izay dia efa olana goavana tsy nojinery. Tsara raha nametraka fetr’isa farafahakeliny amin’ny mpiasa Malagasy ny fitondram-panjakana. Farafaharatsiny mba ny atsasany ahay no kely indrindra amin’ny avy eto an-toerana fa tsy ho vahiny 100% no hiasa ao. Tokony ho ny ampahaefany raha tena kely dia kely indrindra no Malagasy ao an-tanàna avokoa. Izany aza efa tsy misy dikany mihitsy. Manana adidy hanofana ireo mpiasa Malagasy ny orinasa fa tsy ho faly hitango vola mety hahatezitra ny tompontany fotsiny.
Manaraka izany, malaza amin’izao fotoana izao fa miakatra dia miakatra tokoa ny hofantrano any an-toerana na dia trano hazo tsizarizary aza no ampanofaina. Antony, mazava loatra fa mihabetsaka ny olona tonga any nefa tsy dia ampy loatra ny fanorenana misy any amin’izao fotoana izao. Voalaza fa ny 75%n’ny efitra fiantranoana ao Taolagnaro dia efa karazany onenan’ireo mpiasa efa tonga hikarakara amin’ny fitrandrahana fasimainty. Ny 25% ambiny izany dia ifandroritan’ireo mpiasa mamita iraka any avy amin’ny orinasa hafa sy ireo mpizahatany te-hitsidika iny faritra iny. Tsy mahagaga raha miakatra be ny hofantrano.
Izao anefa, mbola tsy ampy ampahafolon’ireo mpiasa hiasa any Taolagnaro no ao an-toerana amin’izao fotoana izao. Aiza daholo no ametrahana ireo mpiasa hafa ? Eo no tokony hanery ny orinasa ny fanjakana malagasy amin’ny hanorenany trano be dia be hipetrahan’ireo mpiasany farafahakeliny fa tsy hameno hotely fotsiny. Trano manara-penitra fa tsy ho tsizarizary sanatria. Tokony ho hentitra ny fitondram-panjakana amin’io lafiny iray io.
Ankoatra izay moa ny olana amin’ny famatsiana sakafo sy ny zavatra hafa. Eo moa ilay filazana hoe ifaninanan’ny ankizivavy indrindra indrindra ny mividy finday hiaka farany aderadera any ampianarana. Fihetsika manosika ny ankamaroan’ireo mbola zazabodo hivarotena amin’ny vahiny sahady. Aiza moa no hahazoany vola aman’hetsiny vetivety eo ? Dia adino ny fianarana fa ny ravoravo natentina no tena zava-dehibe aminy. Tsy hisy dikany avy hatrany ny sekoly lazaina fa haorina na havaozina. Eriteritra ihany ny ahy na dia izany aza ka raha mihaino (na mamaky) ny ao amin’ny fitondram-panjakana vao maika tsara.
Tsy hoe lasa nanoratra amin’ny teny anglisy indray aho fa anarana trano iray eo ampanamboarana amin’izao fotoana izao ao ambadiky ny lapam-panjakana ao Iavoloha ihany. Tetikasa iray heverina ho vita afaka 15 andro mba hialoha ny fankalazana ny faha-47 taona niverenen’ny fahaleovantena amin’ny 26 jona 2007 ho avy izao.
Nitsidika ny asam-panamboarana manko omaly ny filoham-pirenena miaraka amin’ireo orinasa manatontosa ny famitana io asa io. Ny filoha izay nanao ilay satroka sy fitafy ankapobeny mampiseho ny revy amerikana ao anatiny ao indray. Ilay anaran’ny trano koa moa tamin’ny teny anglisy rahateo izay fiteny fampiasa voalohany any Etazonia amin’izao fotoana izao aloha. Ny orinasa manatontosa ny famitana ny asa moa dia roa no fantatro dia ny Magrama sy ny Colas (hevero fa hatramin’izao aloha dia ny Colas no mahazo asa be indrindra tamin’ity fitondrana ity…raha ny Alma kosa no any an-tsain’ny hafa).
Ny nandraisana ny orinasa Magrama ho anisan’ny mamita ny asa dia ahatsinjovana ny rafitry ny trano aorina ihany koa. Azo heverina fa trano horavahan’ny endri-bato ananan’i Madagasikara ity trano ity. Zavatra mahafinaritra izany satria matetika dia ny trano any ivelany no tena hita ho jenitra amin’ny vaton’i Gasikara. Ny orinasa Colas indray moa dia azo heverina fa ny fahamatoran’ny asa sy ny fe-potoana famitany azy no nahazoany ity tolotra iray ity. Ireo orinasa roa ireo ihany no reko na dia telo aza no nambara fa miara-mamita ny asa. Dia ankamantatra ho antsika rehetra izany hoe iza no fahatelo ?
Eo ankilan’izay dia misy fiteny mahazatra ny olona eto Antananarivo amin’ny fananganana trano avo hita eo amin’ny anarana nefa ny trano aoriana amin’izao fotoana izao dia tsy misy rihana. Dia nanontany tena tany anaty tany izay nahita ny sary hoe hay ve ka azo atao tsy misy rihana ny trano dia efa azo lazaina hoe « building » e ! Na izany aza tsy kely akory ny fanamboarana fa trano mahazaka olona arivo no kendrena ho tafiditra ao anatiny. Tsy ho fipetrahana atao vonjimaika ho amin’ny fotoana manokana intsony no mijoro eo fa fanorenana maharitra sy ho tsara endrika ihany koa.
Dia tena mihamaro tokoa anie izany fanorenana hamoriana olona maromaro eny amin’ny lapam-panjakana eny Iavoloha izany. Ao no misy ny foibe fampianarana Leadership. Efa misy efitra lasa fiangonana ihany koa. Dia avy koa ity trano vao naorina ity. Fa tsy nataon’ny filoha ankehitriny aloha ny nanangana ny foiben’ny rnm sy ny tvm tany amin’ity lapa ity araka ny fikasan’ny teo alohany e ! mba fikasana tsara avy aminy aloha iny. Azo tarafina amin’izany manko raha amin’ny fijery ivelany fa tsy mieritreritra ny hanidy ny vaovao ampitain’ny sary sy feo ho eo ambany fahefany velively ny filoha. Dia io hita eo anilan’ny rnm ankehitriny sy ampitan’ny Hilton Madagascar io ny foiben’ny tvm vaovao.