Toko 1 ka hatramin'ny 5 amin'ny bokin'i Enoka, nadika maika ho amin'ny teny malagasy.

2021-04-20 @ 21:30 in Finoana

Toko 1 : Faminaniana ny amin'ny Fitsarana Farany
1 Tenim-pitahiana ho an'ny voafidy sy ny marina hiaina amin'ny andro fahoriana. Hiakatra eo Sinay Andriamanitra, hipoitra eo afovoan'ny tafiny amin'ny heriny. Hangovitra ny rehetra, hihovitrovitra manontolo hatrany amin'ny faran'ny tany. Hihozongozona ny tendrombohitra, hietry ny havoana, hitsonika tahaka ny savoka anoloan'ny afo. Ho rovitra ny tany ary ringana avokoa izay eo ambonin'ny tany, dia ho avy ny fitsarana ny zavatra rehetra (indrindra fa ny marina). Homen'Andriamanitra fiadanana ny marina, ho ambenany, homeny famindram-po. Ho levona ny mpanota, hofaizina avokoa izay rehetra nofo, dia izay rehetra nanota.


Toko 2
Filaharana amin'ny famoronana
Hevero ny asa eny an-danitra: tsy miasy miala amin'ny lalany ny mpiteraka hazavana, voalahatra araka ny fotoany, ary tsy misy miala amin'ny filaharany. Jereo ny tany sy ny asa izay natao taminy, hatramin'ny fanombohany ka hatramin'ny farany, nahoana no tsy miova amin'ny fisehoany ny asan'Andriamanitra. Jereo ny fahavaratra sy ny ririnina, feno rano, rahona ando sy orana mipetraka aminy ny tany.


Toko 3
Jereo ny fipoiran'ny hazo rehetra, ny fahamainany sy ny fihintsanan'ny raviny, afatsy 14 izay tsy mety miala raviny fa mitahiry izany mandra-pisian'ny vaovao rehefa afaka ririnina roa na telo


Toko 4: ny hafanana: hevero ny androm-pahavaratra sy ny masoandro eo ambony: mitady aloka ianareo nefa na ny tany aza mandoro noho ny hafanana, ka tsy afa-mandeha amin'ny tany ianareo, na amin'ny vatolampy noho ny hafanana


Toko5 Fikorontanana sy fanasaziana ny mpanota
Hevero ny hamaitson'ny hazo izay mitondra voa, hevero sy fantaro ny nataon'ilay velona mandrakizay ho anareo, manao ahoana fanoavan'ny asany tsy miova, araka izay nanaovan'Andriamanitra azy. Jereo ihany koa ny ranomasina sy ny ony manatontosa ny asany. Fa ianareo tsy naharitra hatramin'ny farany, tsy nankatoavinareo ny didin'ny Tompo, nodikainareo izany ary nanompa ny halehibeny tamin'ny teny miavonavona sy mandratra ianareo, maina ny fonareo, ary tsy misy fiadanana ho anareo. Izany no mahatonga anareo hifahanompa isan'andro, ary very ny taona maro amin'ny androm-piainanareo, fa hitombo ho ao amin'ny ozona mandrakizay ny taom-pahaverezanareo. Amin'izany ny anaranareo ho atolotra hozonin'ny marina mandrakizay: dia hanozona anareo mandrakizay ireo, ianareo mpanota, miaraka amin'ny mpanota hafa. Fa ho an'ny voafidy ny fahazavana, ny fifaliana ary ny fiadanana, ary ry zareo no handova ny tany, fa ho anareo, mpanota, ozona. Ka omena ny voafidy ny fahendrena, ho velona daholo ireo, ary tsy hanota intsony na noho ny fanadinoana, na noho ny avonavona: fa ny hendry hanetry tena. Tsy hanota intsony ireo na hosaziana amin'ny androm-piainan'izy ireo; fa hamita ny isan'ny androm-piainany, hiroso ao anatin'ny fandriampahalemana ny fiainan-dry zareo, sy ny taom-pifaliana ao anatin'ny fanandratana sy ny fandriampahalemana mandrakizay, isan'andro amin'ny fiainany.

Ny nanaovana ny fandikana dia tato.

Tantaran'ny Fiandohana araka ny baiboly

2021-04-20 @ 01:29 in Finoana

Nisy ireo olona nandinika baiboly dia milaza ny hevitro ihany koa aho. Avy amin'ny hevitro no itazonako azy ho voarakitra ato:

Genesisy 1:1-2:3 > Ny tantaran'ny Famoronana araka ny fijery voalohany ho entina hanajana ny andro Sabata fa misy andininy tiako avoitra kely
Gen 1:26 Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. 27 Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy. 28 Ary Andriamanitra nitso-rano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voromanidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany.

Eto dia efa voasoratra sahady ny hoe hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika, ary efa nomena nitso-drano sahady Andriamanitra hoe Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy. Miteraka fanontaniana izany manao hoe Nahoana moa no asaina ho maro taranaka ny olombelona sady hameno ny tany? Ahoana izany ny resaka famerana ny isan-jaza? Efa feno olombelona ve ny tany sa ny fahapotehana no zary ilaina ny hamerana ny isan'ny olombelona sa toekarena sa inona ihany koa? Jereo tsara eto fa efa voasoratra sahady eto ny hoe lahy sy vavy no namoronany azy.

Genesisy 2:4-25 > Ny tantaran'ny Famoronana mifototra kokoa amin'ny famoronana ny olombelona na ny fizotran'ny famoronana ny olombelona hoe ny lahy no noforonina talohan'ny vavy na viavy izay midika hoe "avy amin'ny lehilahy". Fa tsy hitantsika amin'ny teny malagasy loatra ny dika ara-bakinteny and.4 : indreto ny andia na taranaka lanitra [maro] sy ny tany [tokana] tamin'ny andro nanaovan' YHWH Elohim ny tany sy ireo lanitra. Mandeha amin'izay ny filazana  momba ny saha Edena izay nametrahana an-dralehilahy (mbola tsy nisy vehivavy), dia misy resaka renirano iray niavian'ny renirano efatra ary misy resaka volamena sy vatosoa koa. Avy ao no namoronana ny karazam-biby fa tsy misy vady sahaza ho an-dRalehilahy. Dia izay vao nakana taolan-tehezana hamoronana ny vehivavy.

Dia handingana isika mankao amin'ny Genesisy 5 avy hatrany: Ity no bokin'ny taranak'i Adama, tamin'ny andro namoronan'i Elohim lehilahy [iray] mitovy amin'ny Elohim nanao azy. 2 lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anaran-[dry zareo] hoe Adama [izay azo nantsoina ihany koa hoe olombelona raha jerena ny hebreo na hoe zanak'olombelona raha amin'ny teny malagasy [mankind] tamin' ny andro namoronany azy. Voasoratra mazava amin'ny Hebreo ny hoe Adama ary ny niantsoana azy ireo dia hoe Adama. Mety hahatonga fanontaniana ho ahy fotsiny hoe avy amin'izay ve no nahatonga ny hoe ny anaran-dehilahy no lasa entim-behivavy ihany koa? ny azo lazaina aloha dia adama no niantsoana ny olombelona voalohany. Avy eo nolazaina ny niterahany an'i Seta (Seth) izay raha adika dia hoe solo (solon'i Abela izay novonoin'i Kaina; tsy azoko tsara fa raha ny tena tokony ho dikany dia hoe nosoloina subtituted), dia mariho indray fa tsy nisy filazana ny anaran'ny vadin'i Seta eto fa toy ny hoe izy ihany no niteraka an'i Enosy, ary ny dikan'ny Enosy dia hoe lehilahy na olombelona... mahavariana an! Avy eo indray Enosy niteraka an'i Kenana izay midika hoe fananana na hoe mpanefy, somary manaitra ahy fotsiny hoe mifanakaiky amin'i Kaina ihany izany anarana izany (fa tsy mitovy). Kenana niteraka an'i Mahalalila izay midika hoe Voninahitr'Andriamanitra, Ity indray niteraka an'i Jareda izay midika hoe Dimby na taranaka, ary Jareda indray niteraka an'i Enoka izay midika hoe miaraka amin'Andriamanitra hoy ny sasany fa midika ihany koa hoe nampahalalàna, fanokanana, fanombohana izay mety handikana ny fiainana vaovao. Mitovy anarana amin'ity ihany koa anefa ny anaran'ny matoan'i Kaina ihany koa ity Enoka ity an! Metosela indray tsy hay loatra izay dikany fa misy milaza hoe olon'ny tsipika na lefona.

Jesoa sa Jesosy sa Yahoshoa?

2020-03-18 @ 10:56 in Finoana

Sendra tsikaritro tao amin'ny fantsona HFF, mpanandratra ny Yahoshoa ary mpanameloka ny anarana ankoatra izany ka tafiditra amin'io ny anarana Jesosy, ny tranonkala fandinihana baiboly ahitana ny lahatsoratra ôrizinaly (hebreo) qbible.com. Efa ampolony taona maro no nitiavako mijery ireny lahatsoratra ôrizinaly misy ny fanononana azy sy ny dikany (amin'ny teny anglisy na  indraindray teny frantsay) ireny. Faly tokoa aho nahita ilay izy. Ny fandinihana sy ny fanazavana ny dikan'ny teny amin'izay lahatsoratra hovoaboasina manko amiko no tena dikan'ny heviteny marina fa tsy zavatra hafa.

Any amin'ny fanazavan'io tranonkala nolazaiko io no mametraka fa raha "Yesous" no anarana avy amin'ny teny grika, ho an'ny testamenta vaovao, dia tokony izay araka ny fanononana izay no arahan'ny fitsipiky ny fandikanteny tsara dika amin'ny fiteny hafa fa tsy anarana avy amin'ny hebreo na arameana indray (Jasoa na Jesoa). Amin'izay fotoana izay dia ny FLM irery no manaja ny anarana (Jesosy) amin'ny mpikambana ao amin'ny FFKM. Dia manamarika ihany koa izany fa tsy izy mihitsy ny fifikiran'ny HFF amin'ny fanandratana ny anarana tian-dry zareo apetraka.

Resaka fandikana ny anarana fotsiny no resahako eto fa tsy misy idiran'ny fifanarahana sy ny teolojia.

 

 

Mivavaha ho anay!

2015-12-17 @ 22:47 in Finoana

Mivavaha ho anay raha tsy ho afaka ny hamonjy fotoam-bavaka lehibe miaraka aminareo izahay. Mivavaha ho anay fa aza manenjika anay ho mpanota gaigilahy sy gaigivavy ka tsy mahalala mitondra ny vady aman-janakay any amin'ny toeram-pivavahana sy fankalazana an'Andriamanitra, tsy safidy ny anay fa an-tery nefa izahay tsy te-ho very, tsy te-ho tafasaraka amin'Andriamanitra, nefa toa mahatsiaro ho tsy finaritra. Toa tsy avela hiara-mifaly sy hiara-misakafo amin'ny fianakaviana intsony, toa tavela irery any lavidavitra any ho manimanina ny hira sy ny vavaky ny daholobe, toa tsy ho anay intsony ny hitondra ny ankizy hijery na hanao tsianjery sy ny kilalao any am-piangonana. Ny tena manahirana dia hotsaroan'ny zanakay fa tsy mba mety hiara-mifaly aminy izahay fa hoe sahirana miasa sy mitady vola. Nefa anie ka tsy fidiny ho anay izany. Tena very izahay eo anatrehan'ny fianakaviana sy ny fiarahamonina. Indrisy manko fa raha fantatra ho tahaka izao ve tany alohaloha tany dia mbola niroso ihany izahay? Izao ve no antsoina hoe lalan'ny fahaverezana?

Mivavaha ho anay ry zareo mba ho isan'ireo mpiandry ondry manirery tany an-tsaha, nisehoan'ny anjely koa izahay, nilazan'ny anjely fa teraka ny Mpamonjy ka mba ho afaka ny hifampitaona izahay hijery izany Mpamonjy teraka ho antsika ao antanànan'i Davida izany. Mivavaha ho anay fa toa tafavoaka ny vala izahay. Mivavaha ho anay fa aza manenjika anay. Mivavaha ho anay fa aza maneso anay. Mivavaha ho anay fa na mety hisy aza aminay no efa manadino an'Andriamanitra dia mbola mikaroka ihany koa ny fiadanana izahay, mikaroka ihany koa ny fitoniana izahay ary mikaroka ihany koa ny fifaliana iarahana amin'ireo olon-tiana dia ny vady aman-janaka, ny havana aman-tsakaiza. Mivavaha ho anay ary aza manadino anay. Manaova tonombavaka ho anay. Toa zary lasa vavaka asandratra ho anareo amin'izao sasakalina izao... Toa sasakalina santatra sahady amin'ilay sasakalin'ny krisimasy na noely.


Jentilisa 18 desambra 2015

Mamonjy amin'ny Fahafatesana ny Tompo!

2014-04-06 @ 18:50 in Finoana

Mamonjy amin'ny fahafatesana ny Tompo, izany indray no lohahevitry ny FJKM mandritra ny volana Avrily. Ampifanandrifiana amin'ny Paska izany lohahevitra hotsakotsakoan'ny mpino izany. Ny fahafatesana hamonjena antsika voalohany dia ny fahafatesana ara-panahy.

Ny tsikaritro voalohany tamin'ny namaky ny Ezekiela 18: 23 - 32 dia toy ny hoe solosaina izany ny olona. Toy ny hoe raha nandeha tsara ilay solosaina no tafiditry ny viriosy ka lasa manondrana hatrany noho ny nataon'ilay viriosy dia ratsy izay ilay solosaina. Raha solosaina nanondrana hatrany indray no lasa mandeha tsara tsy misy tomika tamin'ny farany dia lasa tsy tsaroana intsony ny olana taminy teo aloha.

Solosaina no endrika nanoratako azy fa raisina amin'ny mahaolombelona kosa? Tamin'ny taona faha-10 tany an-tsekoly, ny finoana Ejipsiana fahagola dia hoe raha maty ny olona dia lanjaina ny soa nataony ataha amin'ny ratsy nataony. Raha ny soa no betsaka kokoa noho ny ratsy nataony dia mankany amin'ny paradisa izy. Fa raha ny ratsy kosa no betsaka nataony noho ny soa dia lasa any amin'ny fikitroha-nify izy.

Tsy toy izany kosa ny nambaran'i Ezekiela momba ny fijerin'Andriamanitra, raha ny voasoratra eto fa na dia fotoana lava aza ilay olona nanao ny tsara tamin'ny voalohany fa nivadika ôrera kosa izy tamin'ny fotoana farany no maty dia ny ratsy nataony tamin'ny farany no itsarana azy. Dia mifanandrify amin'izany indray, raha nanohitra an'Andriamanitra hatrany ilay olona nandritra ny fotoana lava no niova kosa izy tamin'ny farany ka tsy namerina ny ditra nataony intsony dia, araka ny efa voasoratra momba ilay solosaina teo ihany, tsy tsaroana intsony ny olana teo aminy teo aloha. Rariny sa tsy rariny izany fijerin'Andriamanitra izany?

Raha mbola ilay voalazan'i Ezekiela ihany no itodihana dia mifanohitra amin'ny lojikan'ny olombelona mpiara-belona taminy tamin'izany fotoana izany, ary mety mbola ho lojikantsika amin'izao fotoana izao ihany koa, ny fomba fijerin'Andriamanitra. Lasa tokoa ny saina manao hoe fa maninona i ranona efa nanao ny tsy mety nandritra ny fotoana maharitra indray no "avotan'Andriamanitra" rehefa niala tamin'ny ratsy fanaony izy tamin'ny farany fa nahoana indray no ilay nanao zava-tsoa sy ny marina teo anoloan'Andriamanitra nandritra ny fotoana maharitra no "mba nibolila kely fotsiny" tamin'ny farany no voalaza fa matin'ny fahotany?

Saingy izao, izay no maha-Andriamanitra fitiavana azy. Mbola misy ny fanavotana ho ahy, ho anao, ho antsika na dia difotra tao anatin'ny fahotana aza isika no miova lalana hanaraka ny lalan'Andriamanitra, manaiky ny hotarihan'ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fanavotana nataon'i Kristy Jesoa ka ahafahana manova ny lalam-pisainantsika ho marina eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona. Fa Andriamanitra tokoa ninia tsy nijery ny andron'ny tsy fahalalàna; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka (Asan'ny Apostoly 17: 30)

Sarotra be ve ilay hiova lalana? Indro Jesoa sy ny zava-nataony mampahery fa na dia toa tsy ho vitan'olombelona aza dia vitan'Andriamanitra kosa. Vakinteny faharoa tamin'ity alahady ity tao amin'ny sahan'ny FJKM ny Marka 5 : 35 - 43. Tantaran'ilay zanaky ny mpanapaka ny sinagoga iray izay maty raha mbola naka an'i Jesoa ny rainy. Misy ny olona miteny hoe "Efa tsy avotra intsony fa aza manahirana olona!" Tsy noraharahian'i Jesoa ilay teny fa niteny tamin'ilay mpanapaka ny sinagoga izy hoe :"Aza matahotra, minoa fotsiny ihany!" Finoan'ny rainy no nanatanterahana ny famonjena na dia miteraka fihomehezana ho an'ny olona aza ny tenin'i Jesoa. Nitsangana razazavavy rehefa nibaiko i Jesoa, "ary niaraka tamin'izay dia talanjona indrindra ny olona",nivanàka nahita ny zavatra tontosa amin'ny famonjen'Andriamanitra. Tsy mijanona hatreo ny asa rehefa vita ny "fahagagana" fa omena hanina ivelomany izay "tsy avotra intsony nefa tafatsagana velona indray". Hamaranana dia mba isika tsirairay no hitsakotsako ny voasoratra ao amin'ny Romana 6 : 1 - 7 ny amin'izay toe-piainantsika rehefa navotan'Andriamanitra isika.

Tsy toriteny tany am-piangonana io fa nosotarako tetoana fotsiny ihany. Ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra!


Jentilisa, 6 avrily 2014

Ireo Fitaka Isarihana Anao

2014-03-09 @ 21:28 in Finoana

Tsara sy mora notadidiana ny toritenin'ny mpitandrina tao amin'ny FJKM Anjanahary Maritiora androany 9 marsa 2014. Hosoratako eto ny ambangovangon'izany, sady ho tahiry no ho fampitàn-kafatra ihany koa. Misy karazany telo ny fisarihana ataon'ny devoly ny olombelona hahalavo azy, ary nosedrain'i Jesoa ihany koa izany fisarihana izany :

Voalohany Lioka 4 : 1-4 = Fisarihana anao hanaonao foana

Rehefa noana i Jesoa dia tarihin'ny devoly ianao hanaonao foana. Bitsihiny ianao hangalatra, bitsihiny ianao hamono olona, bitsihiny ianao handroba na zavatra hafa mety tsy ho ampoizinao. Jesoa eto nampirisihany hamadika ny vato ho lasa mofo, izany hoe hanao karazana mazia. Toy ny hoe izay hitanao manodidina anao eto tonga dia hano sy raiso ho anao satria noana ianao. Mety havadikao ho lasa fanararaotra avokoa ny zavatra rehetra eo akaikinao, tianao avadika ho hanina daholo. Tsy niditra tamin'izany anefa i Jesoa fa namaly avy tamin'ny Tenin'Andriamanitra hoe tsy ny mofo ihany, na ny hanina miditra am-bava ihany, no iveloman'ny olona. Ireo efa mahay ny Soratra dia mahalala fa misy tohiny eo manao hoe... Fa avy amin'izay rehetra nivoaka ny vavan'YHWH. (Ny teny rehetra avy amin'YHWH, hoy ny nandikantsika azy!) Satria ny tenin-Andriamanitra rehetra no mamelona antsika.

Faharoa Lioka 4 : 5-8 = Fisarihana anao amin'ny alalan'ny hita maso

Tsy azony tamin'ny alalan'ny hanina dia tarihiny indray any amin'ny zavatra hafa karohin'olombelona fatratra ihany koa, ny hita maso ary ny ambony indrindra amin'izany dia ny fahefana faratampony eto amin'izao tontolo izao. Amin'izao fotoana izao dia manintona tokoa ny rentirentin'ny fandrosoana, ka iray amin'izany ny fahafahana sy ny mora fahazoan-javatra amin'izay zavatra karohina amin'ny aterineto. Tsy voatery ho ratsy ho azy tsy akory ireny fa misy fomba hisarihan'ny devoly anao kosa hihevitra fa mahazo manao izay tianao atao ianao, [na dia ny mifanohitra amin'ny nanamboaran'Andriamanitra anao aza, hoy ny mpanoratra eto] . Toy ny mpanjakan'izao tontolo izao ianao manoloana izany toe-javatra izany. Koa indro ary ny fandriky ny devoly : ahy ireo ka omeko izay tiako, omeko anao raha miankohoka eto anatrehako ianao. Na teo aza izany dia mbola tamin'ny Tenin'Andriamanitra ihany no namaliany azy ary nilazàny fa tokana ihany no hiankohofana sy tompoina dia YHWH.

Fahatelo Lioka 4 : 9-12 = Fisarihana amin'ny alalan'ny Tenin'Andriamanitra

Fantatry ny devoly ary fa tamin'ny Tenin'Andriamanitra hatrany no namaliana azy, dia mba nampiasa ny Tenin'Andriamanitra ihany koa izy hamandrihany an'i Jesoa. Ao anatin'ny fampiasana izany anefa dia misy fanolanana ny teny, na hoe fampiasana azy amin'ny tsy izy. Sady mampiasa ny Tenin'Andriamanitra ny devoly no manaitra ihany koa ny toetran'olombelona mora mirona mankany amin'ny fireharehana sy ny vedetisma. Raha tena voataizan'ny Tenin'Andriamanitra tokoa anefa tsy tokony hiròna mankany amin'ny fisehosehoana sy fireharehana [ho manana an'Andriamanitra] fa mankany amin'ny fanetre-tena kosa. Mariho fa efa maro ankehitriny ny fiangonana milaza tena ho kristiana no efa mihazakazaka mankany amin'izany fireharehana sy ny vedetisma izany koa anjaran'ny tsirairay ny mandinika manoloana ireo fandriky ny devoly ireo. Fa na dia misy aza ny voasoratra ao amin'ny tenin'Andriamanitra dia misy ny mampiasa azy io hamitahana ny hafa hankany amin'ny fahalavoana. Ka ny fanafody tsara indrindra manoloana ireo karazana fitaka mety hiandry anao dia ny fahalalàna sy ny fihinanana isan'andro ny Tenin'Andriamanitra sy mahalala ny sitrapony [mbamin'ny toetrany?].

Tsy mijanona hatreo ny fisarihan'ny devoly anao fa miandry sy mikendry hatrany ny fotoana mety handavoany anao izy. [Lioka 4 : 13]

Indro ny perikopa nakana izany toriteny araka ny fomba nandrafetako azy izany :   

1 Ary feno ny Fanahy Masina i Jesoa niverina avy tany Jordana, ary noentin’ ny Fanahy tany an-efitra nandritra ny 40 andro Izy 2 ka nalain’ ny devoly fanahy tany. Tsy nihinana na inona na inona Izy nandritra ireo andro ireo, ka rehefa tapitra ireo, dia noana Izy. 3 Hoy ny devoly taminy: raha Zanak’ Andriamanitra Ianao, baikoy io vato io ho lasa mofo. 4 Fa Jesoa namaly azy hoe: Voasoratra fa : Tsy mofo ihany no hiveloman’ ny olona [Deo. 8. 3] .

5 Ary ny devoly nampakatra Azy tamin'ny toerana avo, ka naneho Azy tanatin'ny indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin’ izao tontolo izao. 6 Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fahefana rehetra izao mbamin’ ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy; 7 koa raha hiankohoka eto anatrehako Ianao, dia ho Anao avokoa. 8 Fa Jesoa namaly azy hoe: Voasoratra fa: YHWH Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao [Deo. 6. 13; 10. 20]

9 Dia mbola nitondra Azy nankany Jerosalema ny devoly, dia nametraka Azy teo an-tampon’ ny tempoly ka nanao taminy hoe: Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, mitsoraha avy eto mankany ambany any; 10 satria voasoratra hoe: Izy hibaiko ny anjeliny momba anao hiarovany Anao; 11 Lanjain'ireo an-tànana Ianao, Fandrao ho tafintohin'ny vato ny tongotrao [Sal. 91. 11, 12] . 12 Fa Jesoa namaly azy hoe: Voalaza hoe: Aza maka fanahy an’ i YHWH Andriamanitrao [Deo. 6. 16] .

13 Ary rehefa nanao ny fomba rehetra hisarihana Azy ny devoly, dia niala kely mandra-pisian'ny fotoana mety hanaovana izany indray.

Noely Ambanivohitra [sary sy lahatsary]

2011-12-25 @ 19:38 in Finoana

Raha ny fahatsiarovako dia sambany aho vao nankalaza noely ambanivohitra, nefa tsy tena hoe ambanivohitra raha ny endriny anatiny fa lavi-dalana tsara fotsiny. Lalan-tany manko no mankany. Ny anaran'ny tanàna dia Isahafa, izay mandalo an'i Lazaina, anatin'ny kaominina Sabotsy Namehana, Antananarivo Avaradrano.

Ankafizo ary ny sary sy ny lahatsary mba nalaiko tamin'ilay finday Tecno T82 kely mba takatry ny faripananana izay. Tsy mba ahafahana mandefa MMS manko izy io fa raha tsy izany nataoko saika mivantana tamin'ny alalan'ny twitter mihitsy.

Ny endrik'ilay Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara Isahafa hatrety ivelany tamin'ny firavana

Toy izao kosa ny tao anatiny, hay eo an-dalam-pananganana ny akany ry zareo

Endrika ankapobeny ny ao anaty trano fiangonana

Hira iray nandritra ny fotoam-pivavahana

Dia miarahaba antsika nahatratra ity noely 2011 ity ary mirary soa ho antsika rehetra!

Ry Ray ô! Misaotra Anao Izahay izao! Amen!

Zoma masina [sary]

2011-04-22 @ 21:43 in Finoana

Anatin'ny Herinandro Masina isika ho an'ny kristiana. Raha ny Alakamisy masina sy ny alahadin'ny Paska no tena fantatry ny besinimaro dia manana ny anjarany ihany koa ny Zoma Masina ho an'ny fiangonana maro. Eo ny ankamaroan'ny antoko mpihira ao am-piangonana no manao antsam-panahy na toriteny an-kira. Saripika no aseho anareo tao amin'ny fiangonana nentina hahatsiarovana ny maritiora nandritra ny fanenjehana kristiana (protestanta) miorina eo amin'ny vohitra ihany koa saingy tsy miaraka vohitra amin'ireo fiangonana maritiora hafa eto Antananarivo. Iza ary io fiangonana io?

alt

Andro alina hatreo ivelan'ny vavahady

alt

Sary nalaina hatreo am-baravarana iray

alt

Ny antoko mpihira

alt

Sary nalaina hatreny ambony rihana

alt

Nampanakaikezina kokoa ny antoko mpihira ny kinendry

alt

Nalaina hatreo ambadiky ny mpijery, tsy nampiasa flash nandritra ny fakan-tsary rehetra

alt

Ny mpanatrika sy ny atrehina

alt

Ny mpanatrika ambony sy ambany rihana.

Ny mpanoratra dia mirary paska sambatra ho antsika rehetra. Hifampitondra am-bavaka anie ny mpino rehetra.

Jentilisa, 22 avrily 2011 amin'ny 23:58 

Raharaha FPVM Antaninanandrano tohiny

2010-12-26 @ 23:36 in Finoana

Efa mandeha siosio eny ihany ny resaka momba izay nitranga tao amin'ity toerana iray ity. Ireto indray aloha no azo marihina:

Voalohany, tsy ny collectif GTT no nahita ity resaka ity voalohany raha ny tamin'ny aterineto no resahina. Efa andro vitsivitsy taty aoriana aho vao nahatadidy fa efa nisy ny mpamaham-bolongana (jereo Zouboon) avy any Mahajanga niresaka momba azy ity tamin'ny 7 desambra 2010. Efa nanontany ny mpanoratra aho tamin'io daty io hoe afaka milaza ny toerana ve izy saingy tsy namaly mivantana. Ny Collectif GTT kosa dia tapabolana taty aoriana vao namoaka mihitsy ny ampahan-dahatsary izay efa nosoratan'ny mpamaham-bolongana voatonona etsy ambony nilaza fa naharitra iray ora sy sasany (ny ora iray ihany no hitantsika). Hita tsipalotra ihany anefa fa efa nisy sahady ny fanamboarana ny fandaharana ny fandehan'ny tantara raha tarafina ny nitantaran'ilay mpamaham-bolongana azy. Angamba tsara kokoa raha manontany izay nahita ny "lahatsary iray manontolo" ny niafaran'ny tantara isika izay liana amin'izany.

Faharoa, rehefa nahita ny lahatsary indray ny collectif GTT dia toy ny nampifandray azy tamin'ny resaka politika. Ilay izy somary niaro ny filoha voafidim-bahoaka teo aloha no tena nampafana ny adihevitra sy nielezan'ilay lahatsary haingana kokoa, indrindra fa ho an'izay niserasera. Azo heverina izany fa nanana ny tanjony ny namoaka azy ho VCD izay nahitana ny fiparitahany tany Mahajanga ary tsy mitovy tamin'izany tanjona izany kosa ny an'ny collectif GTT na dia naka "sombiny" tamin'ilay tantara aza. Ny iraisan'ny roa tonta kosa anefa dia ny fanalana baraka ny FPVM.


Ankoatra izany kosa dia mba niezaka nikaro-baovao araka izay azonay natao izahay ary dia zaraina aminareo izay voaangona tamin'izany fikaroham-baovao izay:

Isika dia namakivaky izay voasoratra any amin'ny dinika isan-karazany any. Tsy maintsy mikaroka izay olona mety ho fantatra tao anatin'ilay lahatsary. Nisy tokoa ny nahita an'i Ta... izay mpihira ao amin'ny tarika evanjelika iray antsoina hoe Me... avy ao amin'ny fiangonana FJKM Ambalavao Isotry. Ny forum no nahitako fa mpiasa voaroaka na niala tao amin'ny vondron'orinasa tiko io Ta... io ary efa lasa mpitarika tanora tao amin'ny FPVM. Notadiavina ny fanamarinana hoe efa lasa ao amin'ny FPVM tokoa ve io mpihira ao amin'ny tarika Me... io? resaka an-jorom-bala tsy avy amiko fa notaterina tamiko ary somary namboarina fa ny hevitra nampitaina no notandrovina (mpiandry tao ihany no nanontaniana):

__ Mahalala mpihira ao amin'ny tarika Me... miangona ao amin'ny FPVM ve ianao?
__ Tsy mahafantatra afa-tsy Ta... ihany aloha aho
...
__ Nanatrika izany fandroahana devoly nisy fanaboridanana olona izany ve ianao?
__ Tsy nahita izany aho fa mpiara-mivavaka tamiko no efa niresaka fa nisy, hono, izany! Fa ahoana no nahalalanao izany?
__ Efa malaza amin'ny aterineto anie izany e!
__ Efa nahare ilay izy aho fa tsy fantatro hoe hay efa nandeha tamin'ny aterineto io resaka io.

Hatreo ihany ny soratako aloha dia anjaran'ny tsirairay no mino na tsia izay soratako, anjaran'ny tsirairay no mamoaka tsoa-kevitra. Mety mbola hisy tohiny hatrany angamba ity raharaha ity nefa asa aloha!!!

Jentilisa 27 desambra 2010 tamin'ny 01:37


Wikileaks momba ny FPVM Antaninanandrano

2010-12-22 @ 23:19 in Finoana

Tsy re na hitan'ny olona tsy manana aterineto ny zavatra malaza aty amin'ny aterineto amin'izao fotoana izao. Nisalasala ihany vao tapa-kevitra ny hanoratra. Isika mpiserasera ihany aloha no maharaka ny fisian'ilay lahatsary izay notapatapahina sy mikorontana ny filaharany ka tsy fantatra intsony izay lohany ary tsy hita tsara izay farany. Fahadisoana voalohany nataon'izay namoaka ny lahatsary telo mifampitohy toy ny manao endrika mitohivakana na miverimberina ilay izy. Avy amin'izay tsy nandaharana araka izay fandehan'ny tantara izay no tsy dia ahafahana loatra mitsara haingana sy befahatany. Toa samy ahitana ny sombin'ny fizarana voalohany sy faharoa ary fahatelo mifangaro avokoa ireo lahatsary telo lazaina ho mifampitohy: manana ny rariny ihany noho izany izay miteny fa namboarina ilay lahatsary na dia mety ho zava-misy tao amin'ny FPVM Antaninanandrano tokoa aza ny sehatra. 


Manaraka izany, tsy fantatra tsara ny mahazo ireo "mpandray anjara fototra" nefa izy telo ireo no toy ny nasongadina tao amin'ilay lahatsary [video]. Ny iray tamin'ny mpaka sary moa dia niteny hoe "tsy tenenina intsony hoe tsy mety!" nandritra ny fotoana nibaikobakoan'i Rija ireo roa vavy nampijaliana sy nampanaovina zavatra tsy mifanaraka amin'ny maha-olombelona. Andeha atao hoe samy tsy ao anatin'ny fahasalamany loatra ilay mpibaikobaiko, tsy fantatra mazava raha izay ny ritoaly tsy maintsy notanterahina hanalana ny rofy sy ny aretina sy ny devoly na bibilava manjaka ao anatin'ilay marary [na nalàna fahalemena sy fahajambana mbamin'ny tsy fandrenesana]. Tsy nifanaraka loatra amin'izay heverina ho fampianarana momba ny finoana kristiana sy momba ny "Fifohazana" koa anefa ny zava-natao.


Amin'ny fandroahana ny devoly sy ny asany rehetra ary ny fombany rehetra dia alefa any amin'ny farihy mirehitra afo sy solifara ireo zavatra telo ireo, na ilay antsoina ao amin'ny Apokalypsy ihany koa hoe fahafatesana faharoa fa tsy averina velively any amin'ilay lazaina fa nanao azy [ny famosaviana, ambalavelona,sns...]. Tsy ny olona na oviana na oviana no tokony enjehina sy ampijaliana fa ny devoly mpamitaka izao tontolo izao. Averiko indray fa tsy azoko atao ny mitsaratsara fahatany, ao amin'ny lahatsary aloha dia tsy nanitsy ny teny tsy mety hoe "avereno aminay izay nanao azy" izay mety ho mpiandry tao nefa noho ny fanapatapahana ny lahatsary dia azo atao ihany koa ny manahy hoe sao dia natao hanalana baraka fotsiny ny tantara naseho nefa tsy araka izay filaharany tokoa.


Etsy ankilany indray raha ny fandehan'ny famotorana natao dia tsy fantatra mazava na "nitolo-batana" ireo olona ireo na "azo teo ampanaovan-dratsy"... toa tsy nandositra intsony anefa ry zareo. Tsipalotra tamin'ny alalan'ny resaka fa karazan'ny andro faharoa nanaovana ny famotorana ny nakana ny sary. Miteny hoe nakana ny sary moa dia tsy tokony ho nalaina sary velively ihany koa ny toe-javatra sahala amin'ireny. Betsaka ny olona mety tsy hahazaka ny fanalana ny devoly fotsiny na dia tsy nisy aza ireny fampijaliana ara-batana sy ara-tsaina nahazo ireo olona roa ireo. Asa na manao ahoana na manao ahoana ny tena fandehan'ny raharaha fa toa karazana valifaty no tena natao na naseho ho hitantsika mpiserasera fa tsy fanavotana fanahin'olona velively.


Farany, raha tsy misy azonao izay rehetra nolazaiko dia "soa ihany" izany satria aleo izay nahita ihany no hahazo tsara izay voasoratro, tsy nikendry ny hanazava loatra aho fa ny hilaza ny hevitro fotsiny ihany ho an'izay nahita tahaka ahy. Ho an'izay nametraka ny lahatsary dia miangavy azy ireo hamerina araka ny fandehan'ny tantara ny zavanisy tamin'io fotoana io hahafahana tena mamakafaka azy fa tsy hanaitaitra fotsiny ny olona. Ary ny fehiny ataoko dia hoe "Raha hoy isika: tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia Mahatoky sy Marina Andriamanitra [Izy] ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra." I Jaona 01: 08-09


Jentilisa 23 desambra 2010 amin'ny 01:18

Mivavaha ka aza mitsahatra satria...

2010-12-20 @ 09:51 in Finoana

 

Antomotra ity ny faran'ny taona, ho tonga ny krisimasy... nentina hahatsiarovana ny nahaterahan'ny Mpamonjy eo amin'ny finoana kristiana na dia tsy voatery ho marina aza io andro io entina ho fahatsiarovana ny fahaterahana io. Ny krisimasy rahateo niainga avy tamin'ny anarana hoe "Lamesan'i Kristy" fa tsy hoe nahaterahan'i Kristy. Tsy manakana ahy hankalaza ny Tompo anefa izany rehefa fotoana ifanarahana io. Odiana tsy lazaina intsony ny fahasahiranana fa resaka ara-panahy aloha no tsidihana vetivety nefa tsy manakana anareo ho tezitra aho raha milaza hoe hifety satria ny fankalazana ny Tompo any am-piangonana no ataoko hoe fety eto.

 

 

 


Eo amin'ny resaka ara-panahy ihany dia tsy haiko na misy finoana na zavatra hafa ao ambadik'ilay faritra tsy azo itsahina sy tsy azo andehanana ao anatin'ny Lapan'ny Tanànan'Antananarivo fa tsy maintsy lasa hatrany ny saina. Marina dia marina fa vita tamin'ny hazo ilay toerana raha vita rarivato tsara kosa ny manodidina nefa angaha moa manakana ny fahalovany na fahasimbany izany? Sa sao dia ianjeran'ilay lustre goavana mahatratra 750kg izay mandalo eo ambaniny ka ho faty tsy trà-drano? Raha anaty trano izany manko no tsy azo andehanana na tsy azo itsahina na iza na iza nefa dia mila ho eo an-tokonam-baravarana io faritra 5X4 metatra io dia hoy ny fanahiako hoe sao dia finoana kosa no antony na sanatria sanatria... tao no nametrahana ilay zavatra... hitanareo ihany ity finoana ananan'ny olombelona ity ary tsy mivaona amin'izany ny finoana ananan'ny Malagasy dia lasa lavitra ny eritreritra. Tsy voatery ho marina velively io fanahiako io fa mba zaraina aminareo fotsiny.

 

 


Na izany na tsy izany dia manentana izay mpivavaka rehetra aho hitodika hatrany amin'izay inoany ary fotoana izao hanokanana fotoana aminy sy hieritreretana lalina ny fiainam-panahintsika sy ny fiainana andavanandrontsika.


Jentilisa, 20 desambra 2010 amin'ny 11:50

PS: sa betsaka faritra an-trano tsy azon'ny na iza na iza itsahana sy tsy andehanana ankoatra ny faritra hanaovana fivavahana hitanareo?

Tafasaraka tamin'ny HMF ny Vondrona Kristiana

2010-10-21 @ 23:10 in Finoana

Mety ho hitantsika any amin'ny sehatra hafa any fa hisy fotoana nomen'ny fikambanana antsoina hoe Vondrona Kristiana lazaina ho misolo ny HMF hotontosaina ny Asabotsy 23 Oktobra 2010 ho avy izao eny Antsahamanitra. Maro moa no manontany tena hoe fa iza avy no ao amin'ity fikambanana ity ary manao ahoana ny tanjony? Ataoko fa amin'io andro io avokoa no mety hahafantarana bebe kokoa momba azy. Ny zavatra azo singanina kosa anefa dia tsy miara-dia amin'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana intsony ity Vondrona Kristiana ity na dia misy aza ny gazety milaza fa misolo ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana ny fikambanana.


Taorian'ny raharaha 20 mey 2010 dia voatery niafina avokoa ireo mpitarika tao amin'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana. Ireo izay tsy notadiavina kosa nanohy tsimoramora ny hetsika na dia somary lefy kokoa aza ny heriny. Fotoana vitsy taty aoriana dia nanapa-kevitra ireto karazana vato namelan-kafatra fa misy amboarina kely ny rafitra nitantanana ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, ampandraisina anjara bebe kokoa amin'ny fitarihana ny Lahika, dia novaina ihany koa ny anarana ka natao hoe Hetsiky ny Mpitory Fahamarinana indray. Tsy nankasitraka izany fanovana anarana izany, sy ny karazana fanovana rafitra tsy nifampierana izany, ny mpitarika ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana... sady nanorina rahateo ny Hetsika.


Tsy nitovy ny tadin-dokanga nanomboka teo satria karazana famadihana avy hatrany ny Hetsika ilay fanovana anarana tsy nifampierana tamin'ny mpikambana rehetra tao anatiny, ary tsy nifampierana tamin'ireo mpanorina indrindra indrindra. Faharoa, karazan'ny fampilazana fa vita hatreo ny amin'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana no anton'ilay fanovana anarana nefa tsy novana ny famantarana. Notakian'ny tany ampiefenana ny hanambarana amin'izy ireo ny tatitra ara-bolan'ny Hetsika saingy fahatezerana sy fisintahana no setrin'izany. Amin'izao fotoana izao raha efa nanambara ny hiditra amin'ny Hetsika indray ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana dia ny Vondrona Kristiana novaina avy amin'ny Hetsiky ny Mpitory ny Fahamarinana indray no hanatontosa izany etsy Antsahamanitra. Dia miandry izay ho tohiny aho hoe hanao ahoana tokoa re ny hataony ary?


Jentilisa, Zoma 22 oktobra 2010 amin'ny 01:08



Advantista mahavita irery?

2010-07-16 @ 22:56 in Finoana

Tranga iray tsy dia ankalazaina loatra eto amin'ny serasera ny resaka fibodoana tany ataona andian'olona milaza tena ho vahoaka sady nahazo alalana avy amin'ny minisiteran'ny mponina araka ny voasoratra ao amin'ny gazety tia tanindrazana amin'ny tanin'ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito eny Soamanandrariny. Raha vao olona ambony eo amin'ny milaza tena ho mpitondra anefa no ifandonana dia sarotsarotra ihany ny hivoahan'ny raharaha. Manana ny eritreriny mikasika izany ity fiangonana ity amin'izay ataony.

Tafiditra lalina amin'ny politika angamba aho, eny fa na dia resaka fiangonana aza ny resaka eto, fa politika mitsabaka na manitsakitsaka ny toerana misy ny fiangonana no misy eto, ka ny setriny dia ny tsy maintsy hijoroana hanohitra izany toetran-jiolahimboto izany ka tsy hanjakazakany amin'izay olona na fikambanana izay fantany fa tsy hanao herisetra aminy tsy akory. Nieritreritra aho fa mba mety ho manana anjara ihany koa satria fanoherana ny halatra sy fibodoana tany no misy eto saingy sahiran-kevitra ihany. Niantso firaisankina eo amin'ny fiangonana sady milaza ny hamory ny mpiara-mivavaka aminy rehetra eny Soamanandrariny "Gradin III" tokoa ry zareo ny alahady 18 jolay saingy raha ny fijeriko azy dia ireo ao anatin'ny anaram-piangonana ihany no tena antsoiny.

Samy manana ny mahazatra azy sy ny mandresy lahatra azy tokoa ny tsirairay ka tsy azoko atao loatra ny mamelively na manome tsiny amin'izany. Efa mahazatra rahateo fa tsy tian-dry zareo loatra ny mifangaroharo amin'ny fiangonana hafa, fandrao manko manimba ny fahamasinan'ny fivavahana izany, ka na dia amin'ireny vondrom-bavaka ataon'olo-tsotra ireny aza dia manana ny azy manokana ny advantista fa tsy tia miaraka loatra amin'ireo tsy iray fiangonana aminy. Zavamisy izany ka raha misy ny toe-javatra tahaka izao dia sarotra ho an-dry zareo raha izao ry zareo vao hiantso fiarahana na fiaraisan-kina miaraka amin'ny hafa.

Izaho fotsiny no mieritreritra hoe, hay ve tsy fiangonana iray, intsony no iharan'ny antsojay tahaka izao fa itony koa ny hafa fa tràny ihany koa. Moa ve tsy fotoana izao iarahan'ny rehetra miara-mieritreritra sy mandanjalanja ny tokony hatao? Hatramin'izay manko ny FJKM irery ihany no tena heno ho lasibatra ka toa tsy nahataitra ny hafa loatra. Ankehitriny, misy koa ity fibodoana mahazo ny Advantista ity... moa ve tsy ahiana hiitatra amin'ny fiangonana hafa izao fanosihosena izao? Miantso ihany aho noho izany sao dia tsy fotoanan'ny fiolonolonana intsony izao fa tena avondrona tokoa ny hery ho enti-manohitra ny tsy rariny ka ny eto izao dia eo amin'ny fivavahana? Mbola hifanavakavaka ve ny samy fiangonana samy milaza tena ho kristiana?


Atsaharo ny ompa!

Tena tsorina fa efa elaela ihany no tsy namonjy ny fivoriana eny amin'ny tokotanin'ny Magro ny tena (mbola tsy tao amin'ny kianjan'ny finoana Behoririka mihitsy aho, izany dia noho ny asa atao mazava loatra). Miaiky ireo olona mazoto mankeny mandrakariva aho satria manana fikirizana izy ireo. Na izany aza dia mba maharaka ihany ny sombotsombin-java-misy ny tena noho itony aterineto itony afa-mihaino ny radio rindra (misy mpihaino tokoa ianareo ka aza manahy). Misy anefa ny manorisory ihany eo ampihainoana ny kabary mandeha eny fa lasa tsy mihaja loatra ny fitenenana.

Heno ihany manko fa misy ny fanivaivana tafahoatra ataon'ny sasany amin'ireo mandray fitenenana. Na inona na inona toetra sy haratsian'ny sasany, tsy mety kosa ny manompa azy ireny, indrindra fa toy ny manam-pahefana aminao, afa-misambotra anao noho ny teny tafahoatra ataonao izy fa tsy hoe noho ny tolona ataonao. Azo atao tsara ny mitsikera ny zavatra atao na hevitry ny sasany mifanandrina aminao fa ny manompa kosa tsy mety. Taloha toa mba nisy ihany ny famerana ny olona handray anjara fitenenana fa ankehitriny mitady hivadika ho gaboraraka ihany koa ny fifandaminana. Amiko manokana tsy olona masiaka no andrasan'ny maro na tadiavin'ny maro fa izay mahay mampivondrona ny maro sy mandresy lahatra olona betsaka indrindra ireo izay mihazohazon-kevitra amin'izao fotoana izao. Koa ahitsio, azafady indrindra, ny fomba fitenenana mba tsy ho menatra amin'ny tenin'ny mpikabary ny mpihaino azy.


Jentilisa 17 jolay 2010 amin'ny 00:57

Voaompa nefa tsy mihemotra ny Mpitondra Fivavahana

2010-03-10 @ 21:01 in Finoana

Nivaly sahady mialoha ny famalian'ny Kaominina andrenivohitra Antananarivo ny valinteny avy amin'ny Prefektioran'ny polisin' Antananarivo. Araka ny nolazain'ny iray amin'ny mpitarika ao amin'ny hetsiky ny mpitondra fivavahana dia tokony ho ny ao amin'ny fitantanana an'Antananarivo aloha no mamaly na tsia amin'ny hanekena ny fangatahan'ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana ny kianjan'Ambohijatovo, nefa moa dia tsy vitan'ny hoe nisongona namaly ny hafa ny Prefe fa anao teny an'avona sy maneso ary nihantsy mihitsy aza.


Rehefa nanaraka ny votoatiny novakian'ny mpitandrina iray aho dia misy toy izao: "...ekena tokoa fa ilaina ny fibebahan'ny firenena ary mila vavaka ny firenena, saingy efa misy ny toerana natokana ho amin'izany dia any amin'ny isam-piangonana tsirairay avy, koa tsy ilaina ny fanaovana vavaka ankalamanjana; fa raha mangataka ny hanao akalamanjana ihany ary dia aleo akatona ny fiangonana fa eny ankalamanjana indray no atao ny fiangonana..."  Dia tahatahaka izay no votoatin'ny valinteny nataon'ny Prefe araka ny fihaino azy tamin'ny radio fahazavana.


Mazava ny valintenin'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana manoloana izany valinteny izany. Ampirisihana ny rehetra hiakanjo fotsy na hitondra famantarana fotsy ny tontolo andron'ny Alakamisy hiadiana amin'ny tsy fahamarinana fa hitady ny fahamarinana kosa. Hisy ny fotoam-pivavahana maraina manomboka amin'ny fito ora ao amin'ny FJKM Ambatomena izay eo ampitan'ny Consulat General de France io Alakamisy 11 marsa maraina io. Hotontosaina amin'ny Asabotsy 13 marsa fa tsy mbola misy fiovany ny fotoam-pivavahana eny Ambohijatovo... na dia efa mazava aza ny fanakanana avy amin'ny Prefektioran' Antananarivo. Efa ela, hoy ry zareo, ny nandeferana fa ny amin'ny Asabotsy 13 marsa kosa dia hotontosaina. Mazava manko ny fanakanana fa tsy ilaina mihitsy ilay fotoana ka tsy mila tanterahina. Samy hitana ny teniny ve ny roa tonta sa hisy ny hihemotra?


Marihiko fa mandeha dia mandeha mihitsy ny fifanentanana eo amin'ny samy olona hitondra izay mari-pamantarana fotsy izay na dia any amin'ny toerana heverina tsy ankasitrahan'ny mpivavaka loatra aza. Henoko tsara io ka tsy fantatro loatra na mifananihany ry zareo na tena matotra ny resaka satria olondehibe avokoa ireo miresaka ireo.



Jentilisa, 10 marsa 2010, amin'ny 23:10

Volana imaso tsy mba kilema

2010-02-20 @ 21:52 in Finoana

Misy ny ohabolan-drazana manao hoe manalasala toa vozon'akoho, ariana toa hena, hohanina toa taolana. Toa izany no fijeriko ny hamaroan'ny olona (na ny havitsiany, araka ny fomba fijery) tonga teny Antsonjombe ny andron'ny Asabotsy 20 febroary 2010. Izao manko: Afaka miteny soa aman-tsara sady maneso ireo izay tsy mankasitraka ny hetsika manao hoe vitsy ny olona nanatrika tany. Afaka miteny soa amantsara ihany koa anefa ireo mpanaraka ny hetsika milaza hoe betsaka ireo olona tonga ireo. Tsy diso velively ny mpitarika raha nilaza hoe: "Raha tany amin'ny kianjan'Antsahamanitra isika dia tsy antonona ny kianja" sy ny hoe "Efa betsaka isika ireo fa mbola tsy ampy!"


Marihina fa ny mpanoratra dia niserana ihany noho ny asa aman-draharaha tsy azo bangana olona. Efa tsy niasa ihany manko ny tena ny alakamisy 18 febroary 2010 tontolo andro nanatontosa ilay androm-bavaka sy fibebahana, ary nanao ny fifadian-kanina ihany koa. Tamin'ity andro Asabotsy ity kosa dia ny mitataovovonana ihany no teny nanomboka tamin'ny 12:10 ka hatramin'ny 13:35,izany hoe nandingana sakafo atoandro, nefa ny tena fotoana dia amin'ny 14:00 vao manomboka. Ny fanafanana fotoana sy ny asam-pandroahana ny asan'ny maizina ihany noho izany no natrehina. Indrisy moa fa maro tamin'ny namana fantatra ihany koa no tsy afaka tamin'ity fotoana iray lehibe ity.


Teo am-pahatongavana niala tamin'ny fiara fitaterana aho dia gaga tamin'ny hamaroan'ireto fiara lehibe dimy an'ny mpitandro ny filaminana feno an-dry zalahy sy fiara tsy mataho-dalana iray ka izy rehetra ireo dia mirongo fitaovam-piadiana fitondra miady fa tsy fitandroana filaminana velively. Ny fiara lehibe roa aza moa dia kely foana tsy nibahanany ny vavahady fidirana  mankao an-kianja izay tokana ihany moa. Ry zalahy koa mikarenjy etsy sy eroa miaraka amin'ny basy ka mahasadaikatra ny olona ny hifanena aminy. Nisy aza moa rehefa iny tonga teo iny ilay fiara fitaterana nitondra ahy no loa-pahatezerana mihitsy ny sasantsasany amin'ireo vehivavy tao anaty fiara nahita azy ireo. Tsy dia nahagaga loatra noho izany raha nadiodio izany hoe tsy nisy olo-tsotra loatra teo am-bavahady fidirana fa nihatakataka lavitra angaha. Ren'ny mpitondra fivavahana angaha izany toe-javatra izany, na nisy no niantso azy ireo tamin'ny finday manontany raha misy marina ny fotoana na tsia, ka nahatery azy ireo nizara programa ireo miaramila rehetra hitany teny ivelany ireo sy niangaviana ireo miaramila somary hihatakataka kokoa. Nanaiky izany ny mpitandro ny filaminana ka nanakisaka ireo kamiao tany ho any amin'ny 80 metatra andrefan'ny vavahady fidirana. Vita izany rehetra izany vao somary nisy olona nivezivezy teo am-bavahady.


Tahatahaka ny ahoana moa izany ireo karazan'olona tonga tamin'ity fotoam-pivavahana ankalamanjana ity? Raha atao indray mitopy maso ny nisongadina dia ireo efa zokiolona indrindra ny vehivavy no tena misongadina avy hatrany. Ireo no misy mpinamana angaha ka hitahita ho misy miarakaraka na manao andiany. Ny lehilahy efa zokiolona kosa matetika ny hita eny dia mandeha tsirairay no tena maro. Manaraka izany indray amin'ny hamaroana ireo somary fianakaviana kely ka olon-dehibe omban-janaka na zafikely, ary tena mbola zaza tokoa ireo manaraka ireo. Avy eo vao ny tanora matotra izany hoe ireo mananontanona na mihoatra ny 30 taona no maningatsingana teny ho eny ka miaraka amim-bady na main'olo-tiana fa tsy miaraka andiany toy ny mpinamana. Tsy tena tsipalotra kosa izany hoe tanora matotra mpinamana maromaro niaraka ho amin'ity fotoam-pivavahana ity izany.


Ny vitsy an'isa indrindra tadiavina mihitsy vao mety ahitana dia ny zatovo vatombatony feno taona hifidy na ankatoka ho amin'izany. Fahabangana lehibe ny tsy nahitana loatra ity sokajin'olona notononiko farany ity. Izany hoe azo heverina fa tsy vaindohan-draharaha ho azy ireo mihitsy ny karazan-javatra tahaka ny natao tamin'ny andron'ny Asabotsy ity. Isika Malagasy anefa dia firenena maro an'isa ny tanora ary mandrafitra ny ampahany betsaka mihitsy aza. Azo lazaina manko hoe fotoam- pivavahana kapomanta fotsiny no teny fa tsy nasiana na tsy nolazaina mihitsy kosa ny hisiana karazana rindran-kira evanjelika. Raha iretsy maro an'isa tonga iretsy dia mazava tsara fa tonga dia ny ventin-dresaka sy ny votoatin-draharaha no  tena anton-diany fa tsy miraharaha loatra intsony izay endrin-javatra manintona. Tsy mahasarika ny zatovo loatra anefa ny toy izany araka ny fijeriko, ka tsy mahagaga loatra raha tsy hita tamin-javatra tahaka itony ireo zatovo 20 ka hatramin'ny 30 taona eo ho eo ireo.


Aiza ho aiza noho izany ny heveriko ho lesoka mila harenina ho amin'ny manaraka? Sarotra be ny miresaka azy ity satria mety azo sokajiana hoe ravindraviny hanintonana fihetseham-po na mampientanentana no tsy natao mihitsy; singaniko amin'izany ny hira ataon'olo-tsotra na ataon'ny antoko mpihira. Ny karazana foto- pisainana protestanta, ananan'ny ankamaroan'ny mpitondra fivavahana mandrafitra ity hetsika ity, dia manifika avy hatrany izay mety ho tsy dia ilaina loatra ho amin'ny fanamafisana na fijoroana amin'ny finoana ary matetika moa dia ireny antsipirian-javatra ireny no mahatriatra ny dia mandrakariva. Azoko heverina anefa fa azo ifampiresahana tsara ry zareo hijery manokana ny eo amin'ity lafiny hira ity hahatonga ny zatovo hahatapa-kevitra sy hazoto fa hanatrika sy handray anjara amin'ny hetsika amin'ny manaraka.


Faharoa manarakaraka izany dia tsy ampy mihitsy ny fanentanana, ary fantatry ny ao amin'ny hetsiky ny mpitondra fivavahana tsara izany. Ny radio fahazavana irery ihany no nanaovana fanentanana ho amin'ny fotoana tahaka itony, izany hoe mba manana ny lanjany ihany izany ilay radio na dia maro aza ny faritra tsy mahazo tsara azy io na dia eto an-drenivohitra izao aza, ka tsy atao mahagaga raha mismisy ihany ny tsy mahalala akory ny fisian'ity fotoam-pivavahana ity. Efa hitan-dry zareo mpitarika moa iny ka ho hita eo amin'ny manaraka. Mbola banga amin'ny fanentanana ihany koa ny fifanentanan'ny olona hanatrika ny fotoana. Izay tena resy lahatra sy mazoto ihany no tonga, saingy tsara halalinina kokoa angaha ny fahasahian'ny olona hitarika ny namana ho tonga amin'ny fotoana tahaka ireny... tsy hanery ny olona handeha na ho tezitra amin'izay tsy handeha fa handresy lahatra ho amin'ny fiaraha-mientana kosa.


Toro-hevitra ho an'ny mpitarika noho izany ny hakany tarika mpihira evanjelika mihitsy na handray an-tanana ny fanangonana sy fampivoriana ary fanentanana ireo tanora mety hananganana antoko mpihira "vonjimaika" ho an'ny hetsika fa heveriko ho lalana iray hahatonga fifanentanana eo amin'ny samy tanora io ka hameno tsikelikely ny banga sy hampiroborobo ny hetsika. Tsy maintsy manana mpitarika hisahana lafiny hira na zavakanto noho izany ny ao amin'ny hetsiky ny mpitondra fivavahana raha mbola ho lalandavitra ity hetsika ho amin'ny fampijoroana ny fahamarinana ity. Izay aloha no voasoratro etoana ho fanavazavana ho anareo mamadibadika te-hahafantatra ny fandehan'ny zavamisy aty Madagasikara fa raha ny tena manokana aloha dia ao anatin'ireo tsy afa-po loatra... sady tsy afa-nanatrika ny ventim-potoana rahateo moa. Hofaranako amin'ny fomba fiteny malagasy indray angaha izy ity tahaka ny nanombohako azy ka hanoratako hoe ataovy toy ny voankazo an'ala izay voasoratra izay, ny mamy atelemo ary ny mangidy kosa aloavy. Sa inona hoy ianareo no tokony hatao?
 
 
 
jentilisa, Alahady 21 febroary 2010 amin'ny 00:00

Minoa fotsiny ihany

2010-02-16 @ 23:01 in Finoana

Nisy nametraka ny lohateny ho teny tarigetra, nisy kosa ny nanao azy ho tenim-panesoana. Olombelona va no hiankinana? Ny an'ny mpino dia Andriamanitra ihany no fiantehitra. Efa herintaona mahery izay no nanao sangodim-panina teto ny tontolom-bolongana Malagasy ary misy aza ireo mpiray tanindrazana no milaza fa leo sy boboky ny lohahevitra #madagascar mandeha any amin'ny valan-tserasera any. Misy ny namana no manambara fa toa fanasana atidoha no tena betsaka amin'io lohahevitra io, mibahan-toerana manko ny resaka politika. Samy manana ny vaindohan-draharahany ny tsirairay, ary mariky ny fahafahana izany, ka tsy tokony hisy ny hanome tsiny amin'izay safidy zon'ny tsirairay. Samy te-hampandroso an'ity Madagasikara ity ny tsirairay fa ny lasitra iaingana no tsy itovizan-kevitra amin'ny ankapobeny.



Efa ela aho no te-hamoaka lahatsoratra fa dia tahaka ny misy hatrany ny sakana sy ny sampona isan-karazany. Fikirizana sy fifantohana lehibe noho izany vao mahatafavoaka izany lahatsoratra iray izany. Hamoaka sy hamehy araka izay azoko atao ity nodinihako toa mifandraika amin'ny zava-misy eto Madagasikara ity aho satria tsy ady amin'ny alalan'ny hery sy ny saina no tena lehibe eto, araka ny fijeriko, fa ady ara-panahy indrindra indrindra. Izay no maharesy lahatra ahy fa lalam-paharesena ho antsika mpandala ny ara-dalàna izany lalana mampiasa hery sy tafika ary fitaovam-piadiana izany. Lasa mampiditra adihevitra sahady indray aho nefa tsy dia any loatra no foto-dahatsoratra. Indro ary ireo karazam-pahazavana azoko nandritra ny fifadian-kanina nataoko tamin'ny Asabotsy 30 janoary izay niraisana tamin'ireo nanatrika ny Hetsika Jesoa Kristy ho an'i Madagasikara nanerana an'i Madagasikara.



Ny fanazavan-kevitra apetrako dia miainga amin'izay hita ao amin'ny Filazantsaran'i Marka 9 : 14 - 29 izay azonao vakiana soa aman-tsara na tsy averiko etoana aza. Toy izao manaraka izao no tsipalotro :

1 _ Raha tonga Jesoa dia olona niady hevitra tamin'ny mpianany [mpanara-dia azy] no hitany fa tsy nisy resaka fihainoana na endrika fotoam-pivavahana na asam-panafahana [asam-panasitranana]. Fanaontsika mihitsy io indrindra amin'izao vanim- potoanan'ny fahalalahana izao, ary tsy misy antony mahadiso izany araka ny eritreritsika. Saingy izao, very andro fotsiny isika ary mandany fotoana izay mety ho sarobidy dia sarobidy amintsika. Mety hiainga ao anatin'izany adihevitra izany ny filazana hoe fandaniam-potoana fotsiny izany fivavahana izany fa tsy misy asany akory. Tsy hoe tsy nahavita nanasitrana ilay azom-panahy moana ny mpianatra dia tsy izy izay fivavahana nataony sy ny iraka nampanaovina azy fa ilay finoana no adino na ny eritreritr'izay tokony hanasitrana ihany koa no mety manao sahady any am-pony any hoe ho voavaha ve ity olana ity? Tsy nahagaga i Jesoa raha nanondro izay teo ho "taranaka tsy mino".

2 _ Toa tena aretina sarotra afaka [na olana saro-bahana] tokoa ity natrehina ary rehefa natao teo anoloan'i Jesoa ilay marary dia indro fa maneho ny heriny indray ilay krizy ary tena nanao izay hampitsikasikasina ilay olona sy hahatrotraka dia trotraka azy. Matetika ny olona no kivy ambony ihany raha vao miatrika ny hitany sy mahita ny herin'ilay olana atrehiny, manjera azy anaty afo sy manempotra azy any anaty rano hoe? Soa ihany fa tsy ny hijery ny hasarotan'ny olana na ny halehiben'ny aretina na ny herin'ny fanahy maloto no nahatongavan'i Jesoa teo amin'io fotoana io fa ny hanafaka ilay olona azom-pahoriana sy gejain'ny fanahy ratsy mamehy ilay olona ho moana tsy afa-miteny.

3 _ Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino : Matetika ny mpino dia heverina ho olona badobado na vendrambendrana. Betsaka ihany koa ireo olona no mampifanohitra ny finoana sy ny fahalalàna na fahaizana. Mahay miaraka tsara ny finoana sy ny fahaizana na dia natao matetika aza izay hampifandrafy azy. Afaka mifampisedra tsara anefa ny roa tonta fa ny hafatra mipetraka eto dia hoe "hay avokoa ny zavatra rehetra..." eny fa na dia ny heverina ho tsy azo tanterahina araka ny takatry ny sain'olombelona amin'iny vanim-potoana iny aza (impossible). Tsy tokony hitarika ny olona hanaotao foana na handositra sy tsy hanaiky ny zavamisy izany fa hisedra amim-pitokiana ny zava-tsarotra hodiavina rehetra.

4 _ Niteny tamim-pahefana ny fanahy moana sy marenina ny Tompo, tsy ilay fantatry ny olona hoe "moana" ihany no nobaikoana fa nitenenany ihany koa ilay "marenina". Sakana eo amin'ny fifampitan-kafatra izany fahasembanana eo amin'ny fihainoana na fitenenana saingy tsy nahasakana ny Tompo tsy hiteny izany. Fahadalàna ve no nataony mbola hiteny na dia lazaina fa marenina aza ilay nitenenana? Misy ny fombam-pitenenana manao hoe tsy misy marenina tahaka ny minia tsy te-hihaino. Mampitodika amin'ny zava-misy atrehina izy ity. Impiry impiry no niantsoantsoana olona hanao izatsy na izaroa nefa toa zary fandrangitana sy manao izay hahatezitra no setriny. Mety hanao hoe tsy ampy fahefana angaha ny mpiantso ka izany no tsy iraharahian'izay itenenana? Na izany aza nanaraka ny baiko nolazain'i Jesoa ihany ilay fanahy ninia nanentsi-tadìny ka afaka tery ilay olona voageja teo.

5 _ Amin'ny fotoana na fihetsika tsy ampoizina indrindra no nisian'ny famonjena ilay olona. Noheverina fa toa hanohitra araka izay tratry ny heriny no nataon'ilay fanahy maloto hay tsipaky ny miala aina araka ny filazan'ny olona. Noheverina fa tsy ho afa-misaraka intsony ilay olona sy ilay fanahy, rehefa nialan'ilay fanahy ilay olona dia tsy nihetsika intsony ka nampihoraka ny mpanatrika hoe "Maty". Saingy noraisin'i Jesoa ny tanan'ilay olona ary dia nitsangana. Mety hisy ny hihevitra fa rehefa tsy mahahetsika intsony ny olona rehefa nampijaliana nandritra ny fotoana maharitra dia izay no izy. Tsia! mbola eo ny tanan'ny Tompo hampitsagana azy azy haneho azy amin'iny olona hoe mbola velona. Fa izao anefa no tsarovy : rehefa nanontanian'ny mpianatra mangingina ny Tompo dia hoy ny navaliny hoe tsy misy fanafana ankoatra ny Fivavahana sy ny fifadian-kanina rehefa amin'ny karazany toy izany.


Koa ho an'ny mpino te-hanala ny tsy fifampihainoana manjaka eto amin'ny firenena amin'izao fotoana izao. Indro fa natoro anao ny lalana ivoahana amin'izao krizy izao. Nisy ireo nanentana ny olona hanao androm-pibebahana sy vavaka fifadian-kanina mandritra ny tontolo andron'ny 18 febroary 2010 ho avy izao izay mifanandrify indrindra amin'ny fihaonana hamahana ny krizy manjaka eto Madagasikara. Mahavariana fa na dia andro hafa aza no nokasain'ny mpikarakara hanaovana io dinika io dia nanjary nitontona tamin'ny androm-panentanana hanaovana izany vavaka fifadian-kanina sy fibebahana izany. Izaho manokana, tsy tereko velively ianao hitovy hevitra amiko, dia mahita izany ho asan-tanan'Andriamanitra hohararaotintsika Malagasy hanatanteraka ny fihetsika mialoha ny hanaovana tenim-pahefana handroahana ny fanahy maloto ho any an-davaky ny helo, koa atokany ny fotoananao amin'io andro iray io. Tsy adihevitra intsony no hapetraka fa ilay lohateny hoe "Minoa fotsiny ihany" fa dia ho fandaniam-potoana tokoa raha hanao ihany ianao neefa tsy hino ilay valim-bavaka hamoahana ity Madagasikara malalantsika ity hiala amin'ny kizo.


Jentilisa 17 febroary 2010  amin'ny 01:05

Fivavahana sy Politika

2010-01-14 @ 22:20 in Finoana

Andro vitsivitsy tsy nanoratana sahala amin'ny hoe efa be dia be sahady ny zava-nitranga. Izay tsy dia misy mpilaza loatra angaha no andeha tantaraina, mba hifameno amin'ny voasoratry ny hafa ka hahalalana bebe kokoa ny zava-misy eto Antananarivo amin'izao fotoana izao. Efa nandalo ny andiany faharoa tamin'ny hetsiky ny mpitondra fivavahana, tamin'ny Asabotsy lasa teo. Hita ho hetsika tsy niomanan'ny mpifehy ny fahefana amin'izao fotoana izao izy io matoa somary maherihery ny teny ataon'ny tsy manakasitraka ity hetsika ity sady mpanohana ny fehefana misy rahateo. Ny nahavariana moa dia ny setriny nataon'ny sasany tamin'ny alalan'ny famelabelaran-kevitra. Sady mitonona ho avy amin'ny faritany enina, no mitonona ho avy eny amin'ny Anjerimanontolo, nefa dia mitonona ho avy eny Ambany tanàna; izay hoe tiany ho voafoaka avokoa rehefa tanora rehetra. Dia mametraka fampitandremana ry zareo... izany hoe famaizana tsy amin'ny alalan'ny fisamborana ataon'ny manam-pahefana no tiany atao fa amin'ny alalan'ny fandefasana jiolahimboto hisotasota, hanendaka na hamono mihitsy aza. Te-hametraka izy fa tsy misy izay tsy vitan'ny hery ary ny tiany ampihorohoroana dia ny fanahy.

Eto aho dia mahatsiaro tampoka ny nahatafatsangana ny FFKM. Tsy nijoro ho fampiombonana ny fiangonana ihany io Fiombonana io ka hoe resa-pivavahana ihany no ifampidinihana ao fa mety hisandrahaka amin'ny lafim-piainana maro; ka tsy ambaka amin'izany ny Sehatra Fanaraha-maso ny fiainam-pirenena. Asa aloha na politika no resahina amin'izany sehatra izany na inona fa ny fantatro kosa dia karazana tsindrilentam-pahefana izy io tsy hanjakazakan'ny mpitondra tamin'izany fotoana izany (1980) izay tsy nanaiky ny hisian'ny antoko ivelan'ny foto-kevitra revolisionera na ivelan'ny Mandatehezana Miaro ny Tolompiavotana na FNDR (Front National de la Revolition fa tsy ilay Front National Frantsay tsy akory) . Aza atao mahagaga sady ho fampahatsiahiana izay efa nandalo vanim-potoana izany raha saiky nanana anarana fanampiny avokoa ny Antoko politika nijoro tamin'izany fotoana izany hanekena ny fisiany eo anatrehan'ny fanjakana ankoatra ny antoko Arema izay efa mitonona ny amin'ny maha-revolisionera azy ihany sy ny Monima nilaza azy ho Ka Mioviombio (tsy mivilivily). Ny MFM lasa niampy MFT tsy tadidiko intsony ny fanalavana azy na Mpitolona ho amin'ny fampanjakana ny Tolompiavotana (fa tsy Tetezamita velively kos aloha!) na inona. Ny AKFM nisy tohiny hoe KDRSM tsy ahiko intsony ihany koa ny tohiny fa angamba (angamba hoy aho mamerina fa iangaviana izay mahatadidy hametraka azy) Komity Demokratin'ny Revolisiona Sosialista Malagasy), ny VITM-KMTA na Vonjy iray tsy mivaky - Komity manohana ny Tolompiavotana. Noho ny nahasahian'ny FFKM nilaza ny fahasahiranana manjò ny olona sy ny faneriterena isan-karazany dia tsy nekena ara-panjakana, araka ny fitadidiako azy io Fiombonana ity saingy nandroso ihany. Noho ny Hery nananan'ny FFKM sahady dia tsy levon'ny Filoha nitondra tamin'izany fotoana izany ny fijoroany ka nahatonga azy tia hanasongadina ireo fiangonana na fikambanam-piavahana niorina taty aoriana. Nisy aza moa ny fifanarahana vitany tamin'ny Mpitarika ny Revolisiona Lybiana hanitarana ny ambaindain'ny finoana Islamo teto Madagasikara saingy nitsaha-kevitra io fa efa tafaomana tamin'izany ny fiangonana.

Nanomboka tamin'ny taona 1972 no nijoro ho mpanelanelana mandrakariva teo amin'ny sehatry ny fiainam-pirenena ny mpitondra fiangonana sy ny mpitondra fivavahana, ary nantsoina hatrany hametraka ny dinidinika sy tapatapak'ahitra rehefa misy olana eto amin'ny Firenena. Nijoro ho aron'ny malemy eo anatrehan'ny matanjaka sy mpihoa-pahefana, nohenointeny satria mahasahy milaza izay tsy sahin'ny olo-tsotra lazaina, noho ny tahotra ho tratran'ny antsojay amin'ny filazana azy ho mpanoha-riana, nefa tsy nitady seza velively ankoatra ireo efa fantatra ho mpanao politika mazava loatra. Tsy mahagaga raha nanankinana ny fitarihana Fihaonambem-pirenena sy ny fikaonandoham-pirenena tamin'ny 1990-1992. Dia toy izany ihany koa tamin'ny taona 2009, izay notarihan'ny mpitondra fiangonana efa-dahy tao amin'ny FFKM manokana, ary na dia ny Fiaraha-monina iraisam-pirenena aza dia nanankina izany. Nisy mizàna nitongilana be anefa tao anatiny ary hita fa lalana iray nandravana ny Fiombonana no nataon'ny sasany. Tsy ny Fiombonana ihany anefa no nokendrena fa tiana nopotehina tao ihany koa ny Fahefana sy Hery ara-panahy nananany hahasahy hiatrika sy hanambara amin'ny fahefana ara-politika ny tsy mety nefa mitranga eto amin'ny firenena. Tao ho ao no nitranga indray ny ezaka na hetsika hamerenan-kasina ny mpitondra fivavahana hijoro ho mpanelanelana indray eto amin'ny firenena, ka mba tsy voatery ho ny vahiny any ivelany no handamina ny tsy fetezan-javatra misy eto Madagasikara na hiampita Riaka vao hahavaha olana. Koa heloka ho an'ireo mpitondra fivavahana ireo ve raha miezaka hamerina ny hasiny izay izy ireo? 

Eto dia tsy azo adinoina ny fahalasanan'ny Kardinaly Armand Gaetan Razafindratandra, izay mpitari-dalana tamin'ny fananganana indrindra ny FFKM, sy saiky hanatontosa ny dingana famerenan-kasina ny mpitondra fivavahana izany amin'ny faha-23 janoary 2010 ho avy izao, izany hoe ao anatin'ny Herinandro Fiaraha-mivavaka manomboka ny 18 janoary isan-taona io, saingy hafa moa ny zava-misy ankehitriny tamin'izao nahalasanany izao. Mino dia mino aho fa io Herinandro Fiaraha-mivavaka fanao isan-taona io no "action" tian'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana hahatongavana mba hanjaka ao ny vavaka ho an'ny firenena, saingy tombatombana ihany ny ahy izay... Ny iray faharoa eritreretiko moa dia tsy mitombina loatra satria tsy fanaon'ny FJKM loatra indrindra indrindra ny "excommuniation" (tsy haiko na mety io fanoratana io na tsia!) haneren'ny fiangonana tsirairay ny mpitondra tsy mendrika hanaiky ny fahadisoany; nefa dia mahagaga fa nosoratako ihany. Eto dia mahavariana hoe nanaraka ny Kardinaly ve ny asany? Mitondra teny fiaraha-miory amin'ny EKAR hatrany ny tena amin'izao nahalasanany izao. Lehilahy voky andro ihany izy koa mbola hohalahelovina fatratra indray ve?

Dia miitatra hatrany ny fanoratana ka dia mitohy ny fanazavana. Ny Tsikera mahazo ny mpitondra fivavahana moa dia ny famerimberenana mandrakariva hoe miditra amin'ny resaka politika (fanjakan'ny tany) nefa ny asany dia ny manambara ny fanjakan'ny lanitra. Anjaran'izay mitsikera ny mamaly raha tafiditra amin'ny resaka politika ny fampanjakana ny halatra (toy ny fitrandrahana bolabola na andramena), tafiditra anatin'ny politika ve izany ny famotehana ny asan'ny sarambambem-bahoaka, tafiditra anatin'ny politikany sa tsia ny fandanindaniam-poana amin'ny fifaninanana mividy fiara raitra sy manao fety hihinanan-kanina mandrakariva? Tsy hay intsony na dia lasa lavitra loatra sain'ny Minisitry ny Fifandraisan-davitra sy teknolojia vaovao avy amin'ny FAT raha teny hoe "miara-miombon'antoka" no tokony nolazainy fa "Miara-miombon'heloka" no voateniny voalohany vao nahitsiny. Ny Mpamaky Baiboly dia tokony hahalala fa ny mpaminany ao dia matetika ny fihetsiky ny mpitondra hatrany no tsikerainy voalohany, vao manaraka koa ny fihetsiky ny sarambambem-bahoaka. Koa raha mitanisa ny tsy mety ataon'ny maro izy ka tafiditra ao sy lohalaharana amin'izany ny ataon'ny mpifehy ny fahefana dia manao ny asa maha-mpaminany araka izay fahita ao amin'ny Baiboly indrindra koa ireo mpitondra fivavahana ireo.

Fa ny mahavariana ny mpitsikera ny fitenitenenan'ny mpitondra fivavahana ny tsy mety ataon'ny rehetra, ka ao ihany koa ny ataon'ny mpitondra isan-tokony, eo amin'ny seha-piaraha-monina sy ny fiainam-pirenena tsy hanafangaro ny fivavahana amin'ny politika dia ny tsy fahitan'izy ireo ny fanafangaroan'ny mpifehy ny fahefana ara-politika ny fampidirana anaty kabary politika ny tenim-pivavahana sy anarana ivavahana. Moa ve tsy betsaka ireo mpitondra politika no maka andinin-tsoratra avy amin'ny bokim-pivavahana na manonona anarana ivavahan'ny olona? Vao tsy efa no nanao kabary misy izany ny filohan'ny FAT ary dia nanao kabary nifandraika ami'nizany ihany koa ny Praiminisitra FAT notendrena farany teo. Koa izy io moa resaka tapak'ahitra sy andribe amin'ny maso koa tsy azoko izay anton'ny tsikera ifampidiran'ny politika sy ny fivavahana. Miandry fanazavana avy amin'ny maro angaha ny tena hampahazva kokoa ity resaka ity.

Farany, misy ahiana mafy angaha ny mpitondra na te-hampiseho ny tanjany ka fiara 4x4 telo sy kamiao telo samy hipoka mpitandro ny filaminana sy mitana fitaovam-piadiana no atao mitomandavana mivezivezy manerana an'Antananarivo tao ho ao izay. Nisy moa ny nihevitra fa ny anton'ny fisavana ny tranon'ny filoha Ravalomanana dia ny fanahiana fandrao manao fanahy iniana tonga eto Madagasikara handevina ny Kardinaly ity filoha nitondra an'i Madagasikara ity ka alefa aloha ny ramatahora hikosehana tsikelieky ihany koa ny lazany.


Jentilisa, 15 janoary 2010 amin'ny 00:24



Ny herinandro taona mifarana

2009-12-30 @ 23:00 in Finoana

Nankalazaina fatratra indray fa fampiatoana ny adiady sy ny fifandirana eo amin'ny sehatra politika indrindra indrindra ity herinandro farany misy ny fetin'ny faran'ny taona ity. Tetikady avokoa anefa izany rehetra izany entina hametrahana milamina izay rehetra tiana apetraka ary ao anatin'izany ny hetsiketsika rehetra ataon'ny mpitondra FAT amin'izao fotoana izao. Koa izay angaha no nidiran'ny mpitondra fivavahana eo amin'ny sehatry ny fiainam-pirenena indray. Maro no tsy mankasitraka izany saingy ny marina eo amin'ny fiainan'ny Malagasy dia miankina mandrakariva amin'ny zava-misy hatrany.


Seraseran'ny tanora: tetika fandambolamboana

Nisy fihaonana nolazaina fa ara-koltoraly, miompana ho an'ny tanora, notontosaina tetsy amin'ny Lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena tamin'ny farany sy fiandohan'ny herinandro teo. Raha ny fijeriko dia fomba iray handambolamboana ny tanora sy handrefesana ny fitiavan'ny tanora ny mpitondra ankehitriny io fihaonana ara-koltoraly io. Azo lazaina tsy misy hambahamba fa nandamoka ity hetsika ity amin'ny ankapobeny. Voalohany amin'izany, tsy feno ny tranoheva natsangana teny amin'ity toerana ity. Faharoa, vitsy tsy araka ny noheverina ireo tanora niroboka teny. Nalalaka ny toerana, nalalaka ihany koa ny lalana nifamezivezen'ny olona. Ny loko manga sy laoranjy amin'ny afisy kosa aloha dia efa fambara amin'ny zavatra tian-ko tarafina amin'ity hetsika ity. Dia nanao tsoa-kevitra ny zaatra hitako aho aloha.

Raha nolazaina ho niompana ho an'ny tanora ny hetsika, ireo tranoheva kosa dia ny sampandraharahan'ny minisitera sy ny fikambanana tanora tokana, dia an'ny zanaky ny zandary avy etsy amin'ny cité-ny etsy Ivato seranana ihany no hita teny. Tsy nahitana fikambanana tanora tsy miankina hafa sy fikamban'ny tanora miankina amin'ny fiangonana kosa teny. Mivandravandra avy hatrany ny fahabangana toa mitaratra fa novonjivonjena ny fanaovana ity hetsika ity. Rezimanta-na zandary iray Kamiao ihany koa no nisahana ny filaminana teny, ary sahiko no milaza fa mitovy amin'ny isan'ireo olon-tsotra nitsidika ny toerana ny isan-dry zalahy ireo... azo itarafana ihany koa ny filaminana eto Antananarivo tamin'ny andron'ny alatsinainy maraina nitsidihako azy ity. Gaga aho hoe inona koa no antony mahabetsaka zandary ato anatin'ity fihaonana ity? Mbola tsy naheno izay nitranga teny Ampahibe aho tamin'io fotoana io.


Ilay fikomiana sandoka tetsy Ampahibe

Miala tsiny aho raha tonga dia mitsara ilay zava-nitranga tetsy amin'ny Régiment d'Appui et de Soutien ny maraimben'ny alatsinainy ho fikomiana sandoka avy hatrany. Nandalo teny aho, tanaty fiarakaretsaka, ny alahady hariva ary gaga raha nahatsikaritra fa tsy nahita na dia vata-miaramila iray aza niambina ny vavahadin'ireo toby rehetra teny sy ny vavahadin'ny biraon'ny minisiteran'ny Fiarovana. Mpijerijery hatrany ny zavamisy ny tena, noho izany, efa niahiahy zavatra hafahafa sahady aho raha nanana io tsikaritra io. Amin'ny fotoanan'ny hotakotaka indray ve vao tsy misy miambina ny toby? Na misy fandrika mivelatra eo na efa misy fifanarahana miafina eo amin'ny samy miaramila indrindra fa eo amin'ny lohandohan'ireto miaramila ireto. Efa nisy fanomezantoky eo amin'ny fifanarahana hatao sahady angamba hoe ataovy amin'izay ny iraka nampanaovina anareo fa navelanay malalaka ny toerana hanaovanareo azy!

Tsy tena gaga loatra aho ny maraina raha nandre fa nisy fikomiana nataona vatamiaramila notarihina manamboninahitra lefitra tamin'ny toby iray tetsy Ampahibe ity. Vao maika moa tsy gaga mihitsy aho raha nandre fa voafehy vetivety ihany ilay fikomiana sady nanaiky hosamborina mora foana ilay mpitarika ity fikomiana sandoka ity. Dia efa fandre sy mahazatra ihany koa raha malaza avy hatrany fa nahitana volabe teny an-toerana ary nanaiky avy hatrany ireo mpandray anjara fa nandray vola tamin'ny fanaovana ity fikomiana ity. Dia nisy koa ny solombavam-bahoaka notondroina no nanome ny vola hanaovana ilay hetsika. Hita avy hatrany fa fihetsiketsehana fotsiny no betsaka ary misy ny fandrihana. Raha misy olona manakarama amin'ny fanaovan-javatra toy itony tsy hisehoseho ho hitan'ny mpanatanteraka rehetra izy fa olona iray ihany raha be dia ny olona manelanelana azy sy ny lehiben'ny mpikomy no isehoany. Na iza na iza manao zavatra toy itony dia izany no fitandremana bitika indrindra tokony atao. Izay no ahafaha-milaza fa tetika handotoana olona sy hamandrihana andia-miaramila tsy manaiky hofehezin'ny mpitondra ao amin'ny FAT no nanaovana ity hetsika hafahafa ity. Taty aoriana moa dia nisy vohikala nilaza fa hay iray amin'ny niandry kendritohina ny minisitry ny fiarovana ny Amiraly Mamy Ranaivoniarivo tamin'ny volana marsa 2009 ity lehiben'ny mpikomy teny Ampahibe ity.

Mifanindran-dalana manamafy ny tetikady miaramila ihany koa ny famoriana nataon'i Vital tetsy amin'ny Tranom-Pivoriana Iraisam-pirenena Ivato ho an'ny mpitandro ny filaminana rehetra. Ity famoriana ity no miampanga tena ireo atidoha nikotrika ity fikomiana sandoka ity. Niantso indrindra indrindra ireo lehibe isan-tsokajiny eo amin'ny tafika sy ny zandary ary ny polisy manko ny lehilahy tamin'ity fotoana ity. Teo amin'izay no nambara fa iray tsy mivaky ny tafika sy ny mpitandro ny filaminana. Mihevitra manko ry zareo amin'io fotoana io fa tonga soa aman-tsara eo amin'ny tanjona notratrariny ny paika napetrak'izy ireo. Ilay fikomiana voafehy dia enti-maneho na amin'ny miaramila na amin'ny sivily fa tsy azo hozongozonina intsony ny rafitra efa napetraka amin'izao fotoana izao. Fampitandremana mialoha ireo izay manam-pikasana fa efa tsy mandeha ilalana intsony izany fanonganam-panjakana na fiokoana ankoatra ny efa vitany izany. Eo ihany koa ny fametrahana fifampiahiahiana eo amin'ny samy mpitandro ny filaminana fandrao misy ny mihevitra ny hanohintohina ny fahefan'izy ireo izany. Tsy dia sarotra vinaniana intsony noho izany izay mety ho nandehanan'ny Komandy voalohan'ny zandarimaria ny jeneraly Razafindrakoto Bruno Wilfrid teny amin'ny Tobin'ny Hery Vonjy Taitra Ivato rehefa tsy hitan'izy ireo tao amin'ny Tranom-Pivoriana Iraisam-pirenena ny Komandà Roger Luc. Diplaomasia ara-miaramila izany na dia mody lazaina aza fa tsy manao sy tsy mahay diplaomasia izany ny tafika. Hatreto izany dia azo ambara fa voafehy eo ambany fahefana tokana ny tafika iray manontolo.


Hetsiky ny mpitondra fivavahana

Nandritra ny andron'ny alatsinainy maraina ihany koa dia nisy fotoam-pivavahana lehibe nokarakaraina mpitandrina roa no niakatra telo, nahatratra sivy ary lasa ampolony vitsivitsy avy eo teo amin'ny kianjan'Antsahamanitra, 200 metatra eo ho eo miala ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Tsy azo lavina velively fa ny mpitandrina FJKM no maro an'isa amin'izy ireo na dia misy ihany koa aza ireo avy amin'ny fiangonana hafa. Antony maro no mahatonga izany fa izay tadidiko etoana ihany no ho voambara mazava loatra. Voalohany amin'izany, eo amin'ny lafiny ara-tantara : Ny Protestanta amin'ny ankapobeny dia tsy manaiky hofehezina na hoziogain'olona iray na vitsivitsy na oviana na oviana. Tsy anavahana na iza na iza io, indrindra fa avy amina mpitondra politika (ary tafiditra amin'izany tsy ekeny hanazioga azy izany ihany koa ny filoha Ravalomanana, ialana tsinyamin'ny mpanaraka satria izay no zava-misy). Mitady matetika ny fifandanjana izy ireo, koa tsy atao mahagaga loatra raha misy ny fiangonana (protestanta) no misedra olana noho izay fisainam-pahafahana tandroviny izay.

Faharoa : Tsy vitsy mihitsy ihany koa ny mpitondra fivavahana ao aminy no tsy manaiky ny isian'ny fifangaroana na fifampidirana eo amin'ny politika sy ny fiangonana, izany hoe diso ny filazana safobemantsina avy hatrany hoe Ravalomanana = FJKM satria nomena fahafahana ny olona tsirairay hanaraka ny safidy politika tiany arahina ary tsy manan-jò hanery ny mpivavaka ao aminy hanaraka ny safidy politikany ny mpitandrina. Tsy manaiky ny fiangonana raha idirana politika hitantana ny firenena ny anarany nefa tsy hain'ny fiangonana leferina mihitsy ihany koa ny fitsabahan'ny politika amin'ny resa-piangonana. Ohatra tsy misy mpahalala loatra amin'izany, tamin'ny Repoblika voalohany dia nisy ny fanerena nataon'ny fitondrana ny tsy maintsy hametrahana saina ao am-piangonana. Natahotra na nanoa izany baikon'ny fitondrana izany avokoa ny fiangonana rehetra ankoatra ireo izay nanorina ny FJKM. Nanao fandrahonana ny fitondrana fa hakatona avokoa izay fiangonana tsy manaikyny hametrahan sainam-pirenena ao am-piangonana fa tsy nampihontsona ny FJKM, "Akatony ary!" no valinteny nataony. Tsapan'ny mpitondra fanjakana fa tsy azo nahodi-doha ny protestanta reforme ka dia tsy nampihariny indray ny fandrahonana hanakatona ny fiangonana FJKM rehetra.

Koa nahoana ary ireto mpitondra fivavahana ireto no toa minia miditra an-tsehatra amin'ny resaka politika? Valiny: Niditra any amin'izay tsy tokony idirany ao amin'ny fiangonana ny mpitondra fanjakana mpanao politika ka niseho amin'ny maha-protestanta azy ny FJKM indrindra indrindra. Ohatra: efa nomena alalana hanitatra ny fiangonana ny FJKM Antanimena atsinanana (tsy miankina izy ity teo alohaloha teo) no norarana indray tsy hanao izany; efa natomboka anefa ny fandravana hanaovana ny fanitarana; inona no tena tadiavin'ny mpitondra fanjakana? Nitakian'ny fanjakana hetra ihany koa ny foibe FJKM ary tafiditra ao anatin'izany (araka ny gazety Tia Tanindrazana nivoaka 30 desambra 2009) ka ao anatin'izany ny IBS (Impots sur les bénéfices de la Société) taona 2006, 2007 ary 2008... izany hoe napetraky ny mpitondra fanjakana ho raharaham-barotra misy tombom-barotra izany ny raharaham-piangonana. Mafy loatra angaha ny fitadiavam-bola no tonga amin'izany izy ity. Efa saiky noadinoina ny saika hanaovana barofo ny fitaovam-panorenana ny sekoly FJKM tamina tanàna lehibe vitsivitsy teto Madagasikara. 

Manaraka izany, nandritra ny vavaka fifonana no netina nanambarana fa mangatsiaka tanteraka amin'izao fotoana izao ny fifandraisana eo anivon'ny FFKM, fomba enti-milaza izany fa anarana sisa izany FFKM izany fa nopotehina avy ao anatiny nandritra ny telovolana voalohan'ny taona 2009 ihany io sehatra nanana ny anjara toerany teo amin'ny fiainam-pirenena io, nefa tsy nitady toerana eo amin'ny fitondrana amin'ny maha-FFKM azy fa mpandamina sy mampihavana ary mpanelanelana mandrakariva rehefa tojo krizy ny firenena. Mahatsapa ho manana andraikitra hijoro ho mpandamina, tahaka ny nataon'ny FFKM nandritra ny andro nampalaza azy ireto mpitondra fivavahana ireto. Tsy mitady seza izy ireo saingy mitady kosa ny vahaolana ho an'ny firenena mba tsy idirana amin'ny ady an-trano sy ny fanaovana herisetra ary ny tsindry hazolena isan-karazany eo amin'ny fiaraha-monina.

Ity eto ity kosa dia hevitro manokana, miditra na mikasa ny hiditra eo amin'ny fitantanana ny firenena ny tafika izay mitazona ny fitaovam-piadiana eto amin'ny firenena. Sarotra ny hifehy na hanaramaso ny olona mitazona ny fitaovam-piadiana tsy hanakana ny fahafahan'ny tsirairay. Ho fisorohana izay mety ho fihoaram-pefy sy fikorisana mankany amin'ny tsy refesi-mandidy izay dia mety indrindra ny idiran'ny sehatra ara-panahy ho tsindry lentam-pahefana (hisian'ny fitovian-danja eo amin'ny mizana) amin'izao fiainam-pirenena latsaka lalina anaty krizy novolena izao. Azoko heverina fa singa tsy ampoizin'ny mpitondra fanjakana ny fijoroan'ireto mpitondra fivavahana ireto. Raha efa tadiavin-dry zareo amin'ny fomba rehetra manko ny hanagiazana ireo mpitari-tolona ao amin'ny ankolafy telo, ka anatin'ny teti-panorona ilay fikomiana sandoka tetsy Ampahibe, dia sarotra ihany satria hiteraka rikoriko ho an'ny sarambambem-bahoaka raha ireto mpitondra fivavahana ireto no hampangaina ho manao baomba ny mikasa ny hikomy ara-miaramila. Raha sanatria ka tsy afa-mikofoka intsony ny mpitaky ny ara-dalàna dia efa vonona sahady ireo sahy hifanandrina am-panahy ny fitondrana ankehitriny. Ao amin'ireto mpitondra fivavahana ireto aza no misy ny charisme tsy ampy teo amin'ny mpitari-tolon'ny ara-dalàna. Ny maha-hafa ireto indray kosa dia mifankafantatra avokoa ny ankamaroan'ny mpitondra fivavahana ka sarotra ihany ny hisian'ny mpitsikilo avy amin'ny fanjakana. Mety hisy ihany anefa izany mpitsikilo hanao tatitra ny fivoriana natao hanomanana ny hetsika izany fa mety ho mora fantatra.


Ilay fotoam-pivavahana teo Antsahamanitra

Ninia aho nanasaraka ny fotoam-pivavahana sy ny antony nanaovan'ny mpikarakara ity hetsika ity. Fanamarihana voalohany: tsy tao anaty fotoam-pivavahana velively no nanaovana ny fanambarana izay efa navoakako manontolo tsy nanampiana tsy nanalana teto ihany. Efa vita tanteraka ny tso-drano sy ny Amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina vao nolazaina ny fanambarana. Diso ihany koa ny vaovao iniana aely fa tsy nivonona hiandry izany fanambarana izany velively ireo nanatrika ity fotoam-pivavahana ity. Tena niandry zavatra tamin'ireto mpitondra fivavahana ireto mihitsy ireo nanatrika tao ary porofon'izany ny tehaka sy ny horaka sesilany nisy nandritra ny nanaovana izany fanambarana izany. Ambarako sahady ary fa amin'ny Asabotsy 2 janoary amin'ny 2 sy sasany tolakandro ny fotoana manaraka hihaonan'ny olom-pirenena rehetra amin'ireto mpitondra fivavahana ireto eny Antsahamanitra ihany.

Betsaka ihany ny olona tonga teny amin'ny maha-andavanandro maraina ny fotoana tamin'ny alatsinainy teo satria fenony tsara ny antsasak' Antsahamanitra. Vao miditra ianao dia ny sora-baventy manao hoe "Dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry" Matio 9:36 no sora-baventy hitanao eo amin'ny sehatra. Ny tena maro an'isa amin'ireo olona nanatrika teo dia olona efa lehibe heverina ho efa retirety amin'ny asany avokoa, izaho kosa moa mba tsy niasa aho io alatsinainy maraina io ka nanararaotra nankeny, indrisy moa fa tsy ho afaka hanatrika ilay amin'ny Asabotsy aho noho ny asa ihany, nefa azo inoana sahady fa ho maro noho ny tamin'ny alatsinainy no ho avy amin'ny Asabotsy io.

Ireo teny novakiana tamin'io andro io dia hita ao amin'ny bokin'i Estera 4: 14 - 17 miaty ny resak'ilay Estera anisan'ny vadin'i Ahasoerosy (Xeres) nanjaka hatrany Etiopia ka hatrany India tamin'ny dadatoany antsoina hoe Mordekay fa misy ny tetika handringanana ny jiosy manerana ny fanjakana ka nahatonga an'i Estera hilaza hoe: " Mandehana Ary, vorio ny Jiosy rehetra izay hita ato Sosana, Ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; Ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, Ary amin’izany no hidirako ao amin’ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha sanatria maty aho dia izay izany no izy." izany hoe eo amin'ny fanapahan-kevitra lehibe izay hatao dia ny mivavaka no atao voalohany indrindra.

Ny vakinteny faharoa kosa dia izay hita ao amin'ny Matio 26: 36 - 46 milaza ny fitarihana nataon'i Jesoa tao Getsemane, fantany tsara fa hiatrika zava-dehibe eo amin'ny fiainany ihay koa izy ka nitokana nivavaka manao hoe: " Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao." Tao anaty fahoriana sy alahelo indrindra no nanaovany izany vavaka izany. Na ny vakinteny voalohany na ny vakinteny faharoa dia samy manambara ny anjara toeran'ny vavaka manoloana ny fanaphan-kevitr alehibe izay hatao ary mihatra aman'aina mihitsy izany. Ny mpamaky baiboly dia mahafantatra fa nivoaka nandresy fa tsy maty i Estera sy ny Jiosy tao amin'ny vakinteny voalohany nefa maty ihany i Jesoa na dia namerimberina ny vavaka nataony aza amin'ity vakinteny faharoa ity.

Ny vakinteny fahatelo kosa dia izay hita ao amin'ny  Asan'ny Apostoly 4: 23 - 31 ahitana ny vavaka mahery nataon'ny Apostoly sy ny mpianatra fa sahy tokoa izy ireo ny hijoro vavolombelona nitory ny tenin'Andriamanitra na dia norarana tamin'izany aza ary na dia nandrahona sy nampitahotra avokoa na ny jiosy na ny jentilisa na ny mpitondra. Ny fandrahonana natao tamin'ny mpitarika no niitaran'ny fitoriana hotanterahin'ny rehetra tamim-pahasahiana. Ny toriteny kosa moa dia niainga avy tamin'ilay andinin-tSoratra Masina efa malaza ao amin'ny bokin'i Estera 8:6 manao hoe: "Ataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko.

Raha fehezina ny toriteny dia toy izao: "Sahia mandray andraikitra". 1. Ny hetsika voalohany tokony atao dia ny tsy mihetsika... fa mivavaka.2. Rehefa hihetsika kosa amin'izay dia tsy ny tapany fotsiny no mihetsika fa ny vatatena manontolo no mihetsika.3. Manana tanjona mazava hotratrarina ho fijoroana vavolombelona. Ny hetsika tsy misy tanjona mazava manko dia ho ezaka verimaina ihany.4.Fahavononana hisedra ny mafy, hoy ilay mpitoriteny iray antsoina hoe Saddhu Seddhar  Sung hoe tsy misy ny La Couronne raha tsy misy aloha ny La Croix.5. Tsy voatery ho andraikitra lehibe no andraikitra omena antsika fa eo amin'ny toerana misy anao no iantsoan'Andriamanitra anao ho vavolombelona. Io dia araka ny tenin'ilay mpitondra fivavahana mainty hoditra Amerikana malaza iray antsoina hoe Martin Luther King hoe: "Na mpamafa lalana aza ianao, ataovy ho toy ny tsapan'ny anjely mety handalo eo fa olon'Andriamanitra no namafa ny lalana teo". Tsy misy olona noho izany ka hamaivanina ny anjara toerany.


Farany : resaka hafa mihitsy Araraoty fa ity faran'ny taona ity ihany koa no hanoloranao ny Best of Malagasy blogs ankafizinao. Na efa nisy nifidy aza dia apetaho ihany satria mikaonty ho anaty fisafidianana ny fahamaroan'ny bolongana na blaogy iray. Dia samy tratran'ny farany izany ary hiatrika Tolona vaovao indray anie e!



Jentilisa, 31 desambra 2009 amin'ny 01:05


Paska eo am-pijerena ny tontolo politika eto Madagasikara

2009-04-12 @ 21:58 in Finoana

Tonga tamiko teo ampamakiana ny Soratra Masina fanao isan-kalina ato an-trano ity abosako ity. Iarahantsika rehetra mahalala fa mandia Paska isika ary eo amin'ny kristiana ny Paska dia mitory ny fitsanganan'i Jesoa Kristy tamin'ny maty rehefa novonoina noho ny helotsika izy ho fanavotana antsika mpanota. Fototra iorenan'ny finoana kristiana izany fa tsy mitaky fanaporofoana sintifika tsy akory. Tsoriko mialoha fa tamin'ity taona ity aho no kamo indrindra nanatrika fotoam-pivavahana fa in-4 no tsaroako raha mpandeha kosa aho isaky ny tonga ny alahady. Ny alahady voalohan'ny taona, alahady fandraisana iray, mariazy vao notontosaina tamin'ity volana ity (nisy fandraisana koa) ary ny tamin'ny alakamisy masina, dia azonareo an-tsaina ihany koa fa tsy nankany ampiangonana aho tamin'ity alahady paska ity. Marihiko kosa fa nampianatra sekoly alahady matetika ihany aho na dia izany aza fa mody hatrany rehefa vita ny fampianarana.

Lasa ny saiko tamin'ny fotoana nitsanganan'i Jesoa tamin'ny maty (Nitsanganany ho velona indray) araka ny voalazan'ny "Soratra Masina". Nanao ahoana ny fihetseham-pon'ny mpianatra rehefa nahita ny Tompo izy ireo? Fihetseham-po telo no tena nisongadina: ny tahotra, ny fahagagana ary ny hafaliana. Nialoha izany dia nisy aloha ny tranga vitsivitsy nosoratana hampiorenana ny finoan'ny kristiana tamin'izany fotoana izany. Teo ireo vehivavy nihevitra ny hanosotra menaka manitra ny fatin'i Jesoa, fa tsy vita izany fombafomba izany noho ny hamehana. Tsy vita io fikasana hanaovana adidy amin'ny maty io satria zavatra hafa no niandry azy ireo, nisy olona (anjely) naniraka ireo vehivavy ireo hilaza amin'ny mpianatra (ny apôstôly indrindra indrindra) fa efa nitsangana tamin'ny maty ny Tompo, nisy ny nandositra ka tsy nilaza tamin'ny na iza na iza ny zaatra nitranga, nisy kosa ny nidodododo nankany amin'ny mpianatra tokoa... marihiko fa izay araka ny voasoratra ihany no lazaiko fa tsy mijery lafiny hafa velively aho eto. Tsy nino ireo mpianatra ireo rehefa nilazana, na raha amin'ny fitenintsika tia manafangaro fiteny dia hoe "tsy possible" izany hoy ny tenin'ny mpianatra. Nisy ihany koa ireo hafa niresahan'ny Tompo teny an-dalana hankany Emaosy ka tsy tonga saina raha tsy efa nanjavona indray ny Tompo. Fa ny tena azo nasongadina aloha araka ny famaky ao amin'ny Filazantsara dia ny vehivavy no nahita maso ny Tompo voalohany.

Noho ny fahakiviana lalina tao amin'ireo mpianatra ireo angaha dia lasa tsy ninoany izay rehetra nilaza tamin-dry zareo fa efa nitsangana tamin'ny maty ny Tompo, ny nampihomehy aza moa ny fitadiavana porofo, araka ny voasoratra dia ny fijerena ilay vata-mangatsiaka tany amin'ny nandevenana azy. Mazava loatra fa ny tsy fahitana ny faty tsy voatery hidika velively fa niala teo izy fa mety hidika ihany koa hoe noesorina teo amin'ny toerany ny faty na nangalarina ny faty. Nihazakazaka nankany amin'ny porofo tsy naharesy lahatra izany ny mpianatra fa tsy niankina velively tamin'ny filazan'ny namany nilaza ho nahita Azy. Be tamin'ny mpianatra (raha tsy izy rehetra mihitsy aza) no tsy nino izay filazan'ny namany fa i (Masindahy) Tomasy irery no toa asongadin'ny olona ho tsy nanana ilay finoana noho ny fahasahiany niteny hoe raha tsy tena mifandray mihitsy ny tananay tsy mino izay lazainareo aho angamba?

Fa rehefa nipoitra teo anivon'ny mpianatra amin'izay i Jesoa, nanao ahoana ny fihetsiky ny mpianatra? Angaha tonga dia nihorakoraka hoe "Haleloia! Haleloia!" ry zareo? Tsia, tahotra no voalohany indrindra tao anatin'izy ireo, dia izay vao hagagana miharo hafaliana! Mety ho nisy horaka tao anatin'izany hafaliana sy hagagana izany nefa mety ho tsy nahaloa-bava koa ireo olona ireo, fa tsy nosoratana aloha ny tahaka izay. Ny nosoratana dia hoe nisy ny niankohoka ary nisy ny tsy nahahetsika fa ny nasetrin'i Jesoa azy ireo kosa araka ny voasoratra dia ny nanome tsiny noho ny tsy finoana izay nolazain'ny namana aloha sy ny fanirahana azy ireo hanambara izany fitsanganana izany amin'ny hafa ihany koa. Fehiny, araka ny fijeriko azy; tsy tonga dia fetim-pifaliana isiana horakoraka be izany fotoana nitsanganan'ny Tompo sy nihaonany tamin'ny mpianatra izany fa fotoana mampangitakitaka mbola feno tsy fahatsiarovantsaina tsara. Miandry fotoana vitsivitsy vao resy lahatra tanteraka tamin'ny fitsanganany ireo mpianatra ireo, nefa tsy niara-nonina hita maso mivantana mandrakizay tamin'ny mpianatra ny Tompo fa niseho taminy matetika fotsiny... Araka ny finoana Kristiana moa dia ny Fanahiny izay mitoetra ao anatin'ny mpino no miara-dalana aminy aty aoriana.

Fa inona no ifandraisan'izany amin'ny tontolo eto Madagasikara amin'izao fotoana? Voalohany aloha, Ravalomanana tsy Jesoa velively ary tsy mety loatra noho ny finoana ny mampitovy ilay olona sy ilay Tena Olona. Ny toe-java-misy ankehitriny fotsiny no nampitodika ahy handinika tsara ny vanim-potoanan'ny nidinan'ny Zanak'Andriamanitra tety an-tany. Faharoa, aleo aho aloha hatory amin'izay fa mbola hifoha maraina hitsangatsangana fa dia mba mitsako fotsiny ny tsirairay.


jentilisa 12 avrily 2009 amin'ny 23:58

Andry TGV: Sao Vavaka fihatsarambelatsihy? (updated at 23:45 Antananarivo)

2009-01-11 @ 09:16 in Finoana

Mety ho maro no ho tezitra fa dia izay no fijeriko azy. Niniako nosoratana talohan'ny fotoam-pivavahana (jereo ny afisy) hotontosaina raha tolakandro alahady 11 janoary 2009 izy ity fandrao raha mahita ny hamaroan'ny olona aho dia hihemotra indray amin'ny fanehoako hevitra. Mananjo hatrany anefa aho haneho ny hevitro na dia tondroina ho fahavalom-bahoaka aza matetika, na mpanakatsakana no filaza azy ankehitriny. Nahoana ary no lazaiko fa vavaka fihatsarambelatsihy no ataon'i Andry Rajoelina sy ny tariny rahariva?  
 

Sary nangalarina tamin'ny gazety Ao raha nivoaka ny sabotsy 10 janoary 2009 teo mba ho hitanareo any ivelan'i Madagasikara.

Voalohany, tratran'ny fihatsarambelatsihy aloha ny Ben'ny tanànan'Antananarivo raha namindra ny fifampiarahabana saiky hotontosaina ny alarobia teo hifanontona amin'ny fifampiarahabana izay fanaon'ny eny Iavoloha isaky ny Zoma voalohany na faharoa amin'ny taona ho fialana sirika. Tsy nihatsaravelatsihy izy raha nataony alarobia ihany ny fifampiarahabana teo amin'ny mpiara-miasa aminy ka tsy tonga fotsiny izao, tahaka ny fanaon'ny filoha teo aloha Pr Zafy Albert, tsy manana antony manokana afa-tsy ny tsy fitiavana ho any izy ny zoma 09 janoary 2009 lasa teo. Efa fanehoana fahalemena sahady iny fomba nialana iny nefa ianao hilaza hanatontosa fotoam-pivavahana ho an'ny Firenena sy ny tanànan'Antananarivo ny alahady 11 janoary 2009.

Mazava tsara anefa ny lazain'ny baiboly raha misy ny toe-javatra tahaka izao ka heverina fa manana olana amin'ny fitondram-panjakana foibe ianao, noho ny faneriterena sy ny fanakatsakanana isan-karazany; Baiboly ao amin'ny bokin'i Matio toko faha-5 adininy 23 sy 24: "Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina vao atero ny fanatitrao." Hanomana fotoam-pivavahana ianao, nefa tsy nanana fanajana ny mpitondra anao tamin'ny famaliana ny fanasana... eny fa na dia tsy mifankahazo aza ianareo... dia efa fahadisoana lehibe eo anoloan'ny vavaka izay kasainao hatao. Misy soratra ao amin'ny Baiboly misy ny taratasy voalohany nosoratan'i Jaona toko faha-4 andininy 20 sy 21: "Raha misy manao hoe: Tia an'Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa ataony ahoana no fitia an'Andriamanitra izay tsy hitany raha mankahala ny rahalahiny izay hitany izy? Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an'Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa." Heveriko noho izany fa na notoroana hevitra diso ny Ben'ny tanànan'Antananarivo hijabaka any amin'ny tsy tokony alehany na tena zavatra hafa mihitsy no nokendrena hatry ny ela.
 
 Sary afisy nopihana tamina toerana tsy azo ametahana afisy tahaka ny nalain'ny mbs tamin'ny rindrin'ny kianjan'i Mahamasina sady tsy azo ametahana afisy no voarara ihany koa ny fanoratsoratana azy. indrisy!

 
Manaraka izany, sao lasa mivadika ho toriteny izy ity, dia misy zavatra azo tsoahina ihany koa ny votoatin'ny afisy: Soratra voalohany indrindra ery ambony ery: Antananarivo mijoro... Nahoana no tsy natao hoe Antananarivo mivavaka ohatra? Toa hafa avy hatrany ny ao ambadiky ny teny: Antananarivo manohitra, manohitra ny fangejana ataon'ny mpitondra azy? Sa mijoro manakory tsara moa izy ity? Fa angaha moa tsy fotoam-pivavahana izy ity no asiana tarigetra toa tsy mifanaraka akory amin'ny zavatra izay kasaina hatao? Dia eo ihany koa ny hoe hitondrana am-bavaka ny firenena sy ny mponin'Antananarivo renivohitra. Ny ankamaroan'ny fiangonana dia efa manana fotoana iraisana isaky ny 29 marsa sy ny fetin'ny fahaleovantena hanaovana izany fitondrana ambavaka ny firenena izany... ny hoe ny mponin'Antananarivo renivohitra indray aloha tsy mbola misy nandraikitra izany manokana... saingy mazava fa tsy vonjy tavan'andro no tokony hanaovana zavatra tahaka izao fa fotoana raikitra mandrakariva... noho izany, tokony ho efa nahalala ny fotoana fanaovana izany fitondrana am-bavaka ny firenena fanaon'ny maro amin'ny fiangonana izany ny ekipan'ny Ben'ny tanàna ankehitriny ka mba nahay niandry izany afa-tsy hoe manan-javatra hafa hokendrena (manao ho fitaovana politika ny fivavahana), na tsy mahalala ireo fotoana ireo akory... ka dia nampiharihary amin'ny hafa ny tsy fahalalany akory ny fivavahana izay hataony.

Farany, tsy atao ho olana velively ny fanentanana ny olona hiakanjo fotsy amin'io fotoana io, fa mba fanao ihany izany, saingy araka ny fijeriko toa tsy ho amina fanompoam-pivavahana velively no handehanan'izay rehetra hankeny amin'ny Kianja mitafon'i Mahamasina fa ho endrim-panohanana fotsiny ny Ben'ny tanàna. Mampiahiahy ahy ihany koa fa tsy tena ilay fotoam-pivavahana no tanjon'ny mpikarakara fa hijery na hanombana ny hamaroan'izay mety hanohina raha avy ny fotoana hihetsiketsika ry zareo hanohitra ny jadona sy ny fanakatsakanana ny fahalalaham-pitenenana... Ka hirosoana na hiatoana amin'ny dingana manaraka... ary dia mbola endrika fanahy tsy madio ihany koa izany. Dia ho inona daholo ary izany raha marina tokoa fa tsy endrika vavaka fihatsarambelatsihy fotsiny?
 
Fanampiny rehefa vita elaela ny fotoana!

Nizotra tsy nisy sakatsakana ny fandaharana rehetra notontosain'ny ffkm Antananarivo renivohitra araka ny filazana azy nandritra ity folakandron'ny 11 janoary ity (efa alina kosa aho no manoratra ho vaovao sy fanehoan-kevitra ho anareo). Tsy nahay naka sary tsara ve ny tao amin'ny iarivo-town satria tsy hita tsara ny sarin'ireo mpitondra fivavahana nitarika ny fotoana sa lavitra loatra ny alitara (ôtely)? Olona roa amin'ireto voatonona manaraka ireto no fantatro endrika tsara saingy toa manjavozavo mampisalasala izy ireo amin'ny sary (ireo anaty fononteny):

Mitarika : Révérend Père Rakotondrasoa Jean Thimoté
Mitoriteny : Pasteur Rakotobe Rajaomanjato (Fjkm Ziona Ambohipo)
Vavaka : Pasteur Ranaivoharivony Herimalala
Soratra Masina : Pasteur Rakotomahandry Ivola (Flm Ambatovinaky)
Tonombavaka : Pasteur Ramaroson Oelinirina
Teny Fisaorana : Ben’ny Tanànan’Antananarivo

Ao amin'ny iarivo-town ny sary: Samy manana ny fijeriny ny tsirairay, mety noho ny fahalalana fa tsy ho tafiditra anaty trano no nahakamo ny sasany... nefa fanehoan-kery no tanjona hahitana ny hamaroan'ny olona hanaraka. Izaho kosa milaza hoe: pour un début, c'était déjà bon!

Tsy nahalala nitatitra ny teny rehetra ankoatra ny an'ny Ben'ny tanàna ny mpanao gazety (satria ny fankalazana ny Ben'ny tanàna angaha no tanjona?) koa dia omena anareo ihany ny teny voasoratra ao amin'ny fandaharam-potoana (marihina fa tsy teny aho noho ny asa aman-draharaha alahady ka namana nahangom-baovao tampoka no nampita tamiko):

Vakiteny 1: Jeremia 31: 1 - 6, Isaia 41: 1 - 4
Vakiteny 2: I Korintiana 13: 4 - 13
Vakiteny 3: Jaona 15: 9 - 16

Araka ny notaterin'ny radio france international androany 11 janoary 2009 tamin'ny folo ora sy sasany alina (ora Antananarivo, Madagasikara) dia ampolo arivony (diso ihany izany raha ny sary no jerena!) indrindra fa ny tanora no tonga nanatrika ny fotoana. Mazava rahateo ny tian'ny rfi nampitaina na izay notsongaina tamin'ireo noraisiny feo:

Ny iray nanambara fa tonga eo izy ho fanombohana fotsiny ihany fa mbola miandry ny manaraka ihany koa izy... izany hoe ny tiany lazaina raha ny fahazoako azy dia efa vonona izy ny hilahatra sy hitokona raha miantso ny Ben'ny tanàna. Ny iray hafa manambara fa tsy tena hivavaka no andehanany tao fa hanohina ny antson'ny Ben'ny tanàna, fa raha hivavaka izy dia efa vitany ny maraina tany am-piangonana izany. Ny iray milaza fa Miozolmana izy ka mandray anjara ao ihany koa amin'ny maha-mizaka ny zom-pirenena azy. Ary ny farany dia manohana ny Ben'ny tanàna izy amin'ny maha-tanora azy satria ilaina mifanampy ny tanora...hehehe.

Ny zavatra hafa voamarika ihany koa dia ny fisian'ny tehaka nandritra ny toriteny satria nahafinaritra dia nahafinaritra tokoa hoe ny toriteny [mahay mitoriteny kosa aloha ny Pasitera Rajaomanjato e!], tsy dia fanao manko izany, indrindra fa ho an'ny protestanta saingy dia nierimberina hoe ny tehaka. Raha manam-potoana hamakiana ireto andinin-tSoratra Masina ireo ianareo dia tahaka ny misy finiavana ho amina hetsika mesianika ny resaka [mesia vaovao tokoa moa ny Ben'ny tanàna? fanaon'ny olona hatrany izany rehefa tena manantena iny olona iny izy, ny Mesia andrandraina koa moa matetika sady fahefana politika iny no fivavahana]



Jentilisa, alahady 11 janoary 2009

Anarana jentilisa ny anarana hoe Jesosy

2008-11-29 @ 11:00 in Finoana

Ataoko fa anarana tsy vahiny amintsika intsony ny hoe Jesosy ilazan'ny kristiana eto Madagasikara ny Tompony sy Mpamonjy ny tenany. Maro ny mifikitra amin'izany anarana jentilisa hoe Jesosy izany na dia misy aza ny fitadiavam-pifanarahana eo amin'ny fiangonana eo anivon'ny FFKM hampiasa ny anarana iray ifanarahana hoe "Jesoa" izay tsy manahirana ahy koa ny manonona azy. Ny fikambanam-pivavahana kristiana sy ny fiangonana vaovao dia saiky mitana avokoa ilay anarana hoe "Jesosy". Ny Fiangonana Loterana Malagasy kosa ny eo anivon'ny FFKM no mifikitra tanteraka amin'izany anarana izany ihany koa, na dia eny anivon'ny fivavahana iraisan'ny FFKM aza, ny telo hafa kosa dia mampiasa tsara ilay anarana hoe "Jesoa".

Raha tonga teto anivon'Imerina ny misionera avy amin'ny LMS tamin'ny fotoana nanjakan-dRadama Rainy dia nampiasa io anarana hoe Jesosy (vakio hoe Jesaosy noho ny olona avo dia avo feo rehefa nitory teny tamin'izany fotoana) io satria izay no nifanakaiky tamin'ny fanonona anglisy hoe Jesus (vakio hoe Jizasy) nahazatra azy. Ny Jesus kosa avy amin'ny teny grika hoe Iesous. Mahafantatra tsara isika, jereo izay anarana Grika manodidina antsika fa saiky manana izay anarana miafara "s" izay avokoa izy rehetra. Ny Grika nametraka ny anarany teto Antananarivo aloha dia i Vassacos nanana toeram-pivarotana teo Antanimena naharaikitra ny anarany eo amin'ny toby fiantsonan'ny fiara mankany Ivato io. Eo amin'ny Jiosy anefa rehefa tsy Jiosy dia Jentilisa izay, koa mazava loatra fa anarana jentilisa izany ilay anarana hoe Jesosy. Koa mahavariana ihany raha misy ny mpivavaka no manaratsy na mihevitra ho zava-dratsy ny teny hoe jentilisa nefa ny anaran'ny Tompony aza nofikirina avy amin'ny anarana jentilisa.

Ny anarana nakan'ny Grika (jentilisa) ilay anarana hoe Iesous kosa dia avy amin'ny anarana jiosy manao hoe Yeshua, tsy moana ny anononana ny "a" farany. Mazava loatra fa nokarohina fatratra ny hitady anarana atao marimaritra iraisana teo amin'ireo mpitari-pivavahana kristiana Malagasy. Ny katolika nandefitra ny anarana hoe Zezo na Zezò(niavian'ny anaram-pikambanana hoe Zezoita) avy amin'ny teny latina hoe Gesu Iesu (misaotra nanitsy ô!). Ny hafa kosa nampirisihana hanala ny "S" farany amin'ny anarana ka nisy ny nanaiky satria mifanakaiky kokoa amin'ny anaran'ny Tompo aza izany satria ny Tompo ho an'ny kristiana dia Jiosy fa tsy jentilisa tsy akory. Noho izany, tsy hitako loatra ny nametrahana ho fehinkevitry ny KMSL (komity Maharitry ny Sinaoda Lehibe) ao amin'ny FLM tamin'ny 12 - 19 novambra 2008 tany Tsaramandroso Mahajangà I lasa teo fa tsy maintsy ny anarana hoe "Jesosy" no ampiasaina ao ampiangonana. Tsy nahala devoly ve ny nanononana ny hoe "Jesoa" tamin'ny asan'ny Mpiandry? Miangavy izay mahalala ny antony aho hamaly eto raha azo atao. Misaotra indrindra!

Mbola resaka hafa ihany koa ny amin'ny Hira ao am-piangonana fa aleo amin'ny fotoana hafa indray izany.

Nodimandry ny mompera Remi Ralibera sj

2008-11-21 @ 19:40 in Finoana

Nolazaina tamiko izy ity fa tsy nahara-baovao aho. Voalaza ary fa nodimandry androany Zoma 21 novambra ny mompera Malagasy fantatry ny maro indrindra teto Madagasikara tamin'ny alalan'ny haino aman-jery. Noho izy mpanentana tamin'ny tamin'ny radio Madagasikara fandaharan'ny fiangonana katolika antsoina hoe "tafa sy diniky ny tanora katolika" no tena nahafantaran'ny maro azy indrindra (noho ny feony somary kentsokentsona izay) ankoatra ny maha-mpanao gazety Lakroan'i Madagasikara azy (Tonian'ny famoahana sy mpanoratra ny lahatsoratra toy ny chroniques de Rasediniarivo). Nisy koa ny fotoana  naha-filohan'ny holafitra mpanao gazety (faharoa tamin'ny taona 1977-1991) azy satria nijoro ho elanelam-panahy ny lehilahy raha nifanipaka toy ny valala an-karona (noho ny safidy politika indrindra indrindra) ny mpanao gazety.

Teraka tamin'ny taona 1926 izy (hafahafa fa tsy nanoratra ny daty feno ny boky navoakany) ary zanaka Malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay. Taranaka Merina Mainty Manisotra, ary sahy nanambara izany tamin'ny fotoana namoahany ny bokiny fa tsy niafina tao ambadiky ny hoe Betsileo noho ny henatra hoe Mainty. Teny tanàna ambony teto Antananarivo no nahalehibe azy. Ny sekoly katolika no nahalehibe azy. Nandalo tamin'ny fiainany mazava loatra ny faharesen'ny tafika Frantsay nanoloana ny tafika Anglisy (nitondra ny fanevan'ny tafika frantsay afaka) ny taona 1942 ka nanefy azy tamin'ny fitiavan-tanindrazana tsy naka an-tendrony, araka ny filaza). Niditra hanolotena hiaraka tamin'ny Naman'i Jesoa (Jesoita) izy tamin'ny taona 1945.

Nianatra tany Roma izy ny taona 1955 rehefa vitany ny fianarana norantoviny teto an-toerana, ary misahana indrindra indrindra ny fitaizana ny tanora ka nahatonga azy ho ray aman-dreny ara-panahin'ny (Ômônie) skoto katolika nandirtra ny 30 taona. Noho ny fitiavan'ny tanora azy no nisamborana ny tenany nandritra ny tolon'ny mpianatra 1972 ka nanaovana sesintany azy tany Nosy Lava. Nanana anjara toerana ihany koa izy tamin'ny nanirahan'ny filoha Ratsimandrava azy hitafa tamin'ny polisy GMP nioko tao amin'ny toby Antanimora (mifanila amin'ny fonja na ny marina kokoa dia ambonin'ny fonja) tamin'ny 1975. Ankoatra izay moa dia efa tonia jeneralin'ny FFKM ihany koa izy ny taona 2001-2005.

Izay no mba fandraisana anjara kely avy tamina protestanta (Loterana) iray ho an'ity lehilahy katolika Malagasy ity. Efa voky andro ihany ny tenany satria nateza tamin'ny fiainana izy (82 taona).

[sary] Famaranana faha40 taona FJKM (4)

2008-11-11 @ 12:56 in Finoana

Mbola maromaro ihany ny sary mbola tsy tafiditra ka avelako indray ianareo hianoka azy. Toy ny mandehandeha ampiangonana indray ny mpaka sary amin'ny fitetezana ireo faritra samihafa ao anatin'ny kianjaben'i Mahamasina ihany.

HIditra ny kianja ho an'ny manampahefana. Voaravaka saina fotsy sy manga na dia ety ivelan'ny kianja aza.

Indreto indray ny fiaran'ny manampahefana tsy tafiditra ao an-kianja! mazava loatra fa tsy hahita fiara ratsy izany ianao.

Miditra ny tribunes ary isika

Samy feno mpitandrina avokoa ny andaniny sy ny ankilany amin'ny tribunes centrales.

Izao no sary manamarika ny alitara ao amin'ny FJKM Ambohipo

Tonga maro ny skoto tamin'ity fotoana ity.

Tsy tian'ny olona amin'ny ankapobeny ny tena afovoany. Mety hoe takona koa ve sa sempotra?

Dia izay indray ary aloha ny sary nomeko anareo.

[sary] Famaranana 40 taona FJKM (3)

2008-11-10 @ 04:33 in Finoana

indreo kay moa misy tovovavy mpandray ny manampahefana

izany dia ny tavany ihany no nojerena

 
Teo amin'ny resaka hira indray moa dia nisy mpitendry zavamaneno sy mpitsoka mozika mihitsy nanafana ny lanonana. Tsy aritry ny tena fa dia voapika tany amin'izy ireo ihany koa ny fakantsary. Tanora mahafatifaty ihany koa anie izy ireo ary inoana marimarina fa zanaky ny fiangonana ihany. Nahazo azy ireo akaiky ihany koa moa aho ka tena heno tsara ny hakanton'ny feo nivoaka.
tena tanora anie izy izany e!
 
 
Fa ny tena nahavariana dia nalaza vetivety teo ilay hiram-pifohazana mitondra ny lohateny hoe "Iny lalana iny". Mazava loatra fa tsy maintsy mba misy ihany koa ny gaga fa izay vao naheno azy nefa dia manintona dia manintona ny fomba nihiran'ny "Saotra sy dera" azy any amin'ny kapila mangirana. Rehefa ny sarambambe moa ny mihira azy tsy maintsy mba voafehifehy araka ny fomba tandrefana eo ihany ilay izy nefa izy maredona no tena mampihetsi-po no mandre azy, izay manko no tena avy ao ampo. Efa niomanana tanaty fandaharam-potoana angamba satria nisy satroka misy io soratra "Iny Lalana Iny" io namidy teny ivelan'ny kianja indrindra indrindra ary maromaro ihany an!
Toa vitsy ihany izany nahazo micro izany
 
 
Marihina ihany koa fa nisy asa sy fampaherezana notontosain'ny mpiandry FJKM nandritra ity fotoana ity. Fanao iray fanaon'ny Fiangonana Protestanta Malagasy (Reforme sy Loterana no dikan'izany) izy ity eny fa na Misionera Tandrefana tsy dia nankasitraka loatra ity fomba ity aza no niavian'ny fiangonana tamin'ny ankapobeny. Tsy dia ela ihany koa no vao naneken'ny FJKM ny Fifohazana ho sampana ao aminy, ary mbola misy na dia efa mihavitsy an'isa aza no mbola tsy mahazoazo loatra hatramin'izao ny Fifohazana. Misimisy kosa ny mpitandrina sy pastora tsy manaiky ny hiram-pifohazana atao anaty litorjia mandritra ny alahady maraina. Mihevitra aho, fiheverako manokana, fa mbola tarazo navelan'ny fisainana fa ny fomba tandrefana amin'ny fombam-pivavahana ihany no tena fomba fivavahana izany ary singa iray manakana ny fampielezana ny Filazantsara ho toy ny zava-bahiny mandrakariva izany fieritreritra izany ary manakana ny fanehoana ny mahamalagasy sy ny mahakristiana afaka mifanindran-dalana sy tsy mifanohitra.

[sary] Famaranana 40 taona FJKM (2)

2008-11-10 @ 03:49 in Finoana

Ny filohan'ny FJKM Atoa Lala Rasendrahasina ihany moa no nitoriteny tamin'ity fotoana ity rehefa avy novakiana avy ireto andinin-tSoratra Masina somary henjakenjana ireto:

I  Samoela 15: 16 - 26
          Marka 7: 14 - 30
      Romana 1: 28 - 32

Ny tena nanompanany ny toriteny nataony dia izay voasoratra ao amin'ny Samoela voalohany toko faha-15 ka ny tapany faharoa amin'ny andininy 22 manao hoe:

"Ny manaraka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran'ondrilahy."

Milaza ny iraka nampanaovina ny mpanjakan'isiraely voalohany (Saoly) izay nirahina handringana ny Amalekita, tsy haka na inona na inona avy aminy. Kanjo nalain'ny vahoaka Isiraely kosa ny zavatra tsara tamin'ireto fahavalony ireto. Nalainy izay biby fiompy matavitavy sy izay zava-tsarobidy tamin'ireo fahavalony ireo ka avy amin'izany no nakany hanaovana fanatitra ho an'i Jehovah. Tsy nankasitrahan'Andriamanitra, araka ny nambaran'ny mpaminany Samoela anefa izany fihetsika nataon'Isiraely sy ny mpanjakany izany ka nahatonga ny teny manao hoe ny Mankatò, ny Mihaino ny tenin'Andriamanitra ary ny manaraka izany hatramin'ny farany (manatontosa) no sitrany. Fa na matavy aza ireny biby fiompy ireny dia nalaina avy amin'ny tsy fankatoavana ny didin'Andriamanitra. Ny fahavelomana sy ny fahamarinana dia miankina amin'ny fankatoavana.

Ny fanatanterahina ny tenin'Andriamanitra dia manaiky ihany koa izay teny mety hanohintohina ny hambom-po sy ny sitrapon'ny tena. Tsy mety mihitsy ny maka izay mahafinaritra sy metimety ary mifanaraka amin'ny tadiavin'ny tena ho izay tokoa ny sitrapony ka tsy manatanteraka kosa ny izay manelingelina sy mahasosotra (fa tsy mifanaraka amin'ny tombotsoan'ny tena). Mandefitra isika ary tsy maintsy mandefitra manoloana ny sitrapon'Andriamanitra. Avy amin'ny zavatra mifanahatahaka amin'izany ihany koa no nipoiran'ny fanitsiam-pivavahana nataon'i Luther sy Calvin ary ireo namany maro samihafa noho ny fomba maro samihafa natao tao ampiangonana tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra intsony. Izay amin'ny ambangovangony ny toriteny voaraiko tamin'ity andro ity araka ny nahazoako azy.

Mariho amin'ity andini-tSoratra Masina ity ny teny masiaka avy amin'ny Samoela mpaminany ho an'ny Saoly mpanjakan'Isiraely voalohany manao hoe "ary Jehovah kosa efa nandà anao tsy ho mpanjakan'isiraely intsony. Mety hisy indray manko no mieritreritra any ampony any hoe ary ho an'ny filoham-pirenena izany teny izany (satria mpanankarena be mihitsy ny lehilahy ary matetika ny fiheveran'ny Malagasy ny harena miavosa tahaka ireny dia tahaka ny azo tamin'ny tsy rariny sy ny fanambakana mandrakariva) nefa aleo kosa manamarika fa tsy ho an'ny mpanankerena sy ny mpitondra ihany ny tenin'Andriamanitra fa ho an'ny olona rehetra. Ny fanilikilihana ny tsiny ho an'ny hafa mandrakartiva manko no entina hanafenana ny tsy rariny ataon'ny tena ihany koa.

[sary] Famaranana 40 taona FJKM (1)

2008-11-10 @ 02:38 in Finoana


Notontosaina ny alahady 9 novambra 2008 ny famaranana ny fankalazana ny faha40 taona ny nijoroan'ny FJKM. Teny amin'ny kianjaben'i Mahamasina no nanatanterahana izany fotoam-pamaranana izany. Vao maraina dia niainga avy amin'ny faritra samihafa ny fiangonana sy ny sampana samihafa. Tsy nahatratra io filaharambe io moa aho satria io ihany no alahady mba natoriako maraina. Reraky ny asa andavanandro ihany manko ny tena. Na izany aza dia tsy nanaiky kosa raha tsy nanatrika ny fotoana.

Tamin'ity fotoana ity no niarahabana ireo mpikambana rehetra ao amin'ny birao foibe, sy ireo mpikambana samihafa ao amin'ny fandinihan-draharaha, mpanapa-kevitra ambony eo anivon'ny fiangonana sy ireo mpitandrina nahavita be teo anivon'ny FJKM nandritra izay efapolo taona nijoroany izay. Tsy atao mahagaga loatra noho izany raha noraisin-tanana tamin'ny fomba ofisialy ny Minisitry ny tetibola teo aloha Radavidson Andriamparany, mpanolo-tsaina eo anivon'ny birao foibe. Tsy nanatrika kosa ny filoha lefitry ny FJKM sady filohan'ny Repoblika Marc Ravalomanana. Soa ihany hoy aho amin'izay mba mitovitovy ny nanaovana ny FJKM sy ny EKAR. Rehefa namonjy ny toerana nipetrahan'izy ireo ny mpikambana tao amin'ny foibe dia nitsiky ihany aho nahita fa mifanakaiky dia mifanakaiky amin'ny fipetrahan'ny minisitra maro nanatrika ity fotoana ity ny toeran'ny Mpanolotsaina maharitra Radavidson Andriamparany. Moa va tsy toa ireny hoe mbola mitana ny andraikitra mahaMinisitra azy ny lehilahy? Mba iza koa ary no nandamina ny fipetrahan'izy rehetra ireo?

Aza terena hiankina amin'ny Fanjakana ny Fiangonana

2008-11-03 @ 15:23 in Finoana

Andro vitsivitsy izay toa resaka finoana sy ny mifandraika aminy hatrany no voasoratro. Nahavariana ahy indray manko ny lohateny lehibe navoakan'ny vaovaontsika gazetin'ny fianakavian'ny filoham-pirenena androany alatsinainy manao hoe tsy azo sarahina ny fiangonana sy ny fanjakana iny. Sarotra manko ny hieritreritra fa ny ao an-dohan'ny filoham-pirenena raha niteny iny izy dia hoe miankina amin'ny fiangonana ny fanjakana. Ny fiangonana no fitaovana nampiasainy nahomby indrindra niakarana tamin'ny fitondrana ary ny fiangonana rehetra tao amin'ny FFKM no tena nampiasainy tamin'ny alalan'ny fanaovana fanampiana isankarazany. Nahazo fahatra tany amin'ny faritra maro izy noho ny fiangonana tao amin'ny FFKM izay misy hatrany amin'ny toerana tsy takatry ny fiara aza. Ny FFKM manko sisa no fahatra nanaovana ny tsindry lentam-pahefana tamin'ny fitondrana Ratsiraka II. Tsy nahagaga loatra raha mora nirona tamin'ity lehilahy nahay nampiasa ny fiangonana ity ny maro an'isa teto Madagasikara.

Tamin'ity fe-potoana faharoa nitondrany ity dia toa tsy nahalala afa-tsy ny FJKM amin'izay ny lehilahy (ny mpitondra faratampony). Vao tsy praiminisitra intsony Atoa Jacques Sylla, katolika sady tanindrana, dia nahita zavatra hafa dia hafa mihitsy ny vahoaka. Efa nisy tamin'ny andron'i Zafy Albert no sady Tanindrana ny filoha no tanindrana ny praiminisitra (Fracisque Ravony sy Emmanuel Rakotovahiny). Anisan'ny naharatsy endrika azy io na dia maro tamin'ny minisitra aza no tanivo (Merina sy Betsileo). Tamin'ny andron-dRatsiraka indray dia nokendreny ho tanivo hatrany ny praiminisitra (Betsileo ny ankamaroany afa-tsy ny Jeneraly Desiré Rakotoarijaona ihany). Fa eto kosa efa Merina ny filoham-pirenena mbola Merina ihany koa ny Praiminisitra ary samy FJKM ihany koa izy ireo. Nahatsiaro ho voahilika ve ny Katolika (indrindra rehefa nalefa nisotro ronono ny Son Eminence Armand Gaetan Razafindratandra)? Ny hita aloha dia te-haka ny fijoroany tsy miaraka amin'ny fitondrana ary tsy te-hifampitambitamby amin'ny fitondrana ny Arshevekan'Antananarivo vaovao Odon Razanakolona. Nanomboka tamin'ny tsy nanekeny halain'ny angidimbin'ny filoham-pirenena tany amin'ny faritra SAVA iny izany. Tsy maintsy nanitikitika ny sain'ny filoham-pirenena iny fihetsika iny. Io indray ilay resabeko e!

Marihina anefa fa na dia tsikaritra ho manana fironana mitongilana amin'ny FJKM io aza ny filoha dia tsy vitsy mihitsy ny olona avy amin'io antokom-pinoana io no tsy mankasitraka ny fitsabahana be loatra ataony. Mihevitra izy fa izy sy ny volany no tena iankinan'ny fiangonana. Atao hoe resaka fiaraha-miasa hatrany ilay izy nefa mikendry hatrany izy ny hanao kendaroroka ny fiangonana sy manery ny safidiny ho safidin'ny fiangonana. Nasehon'ny fiangonana hafa fa manana ny fijoroany ny fiangonana, efa tokony hampieritreritra azy ireny. Te-hijoro amin'ny mahaizy azy ny fiangonana, tompoko, fa aza terenao hiankina aminao. Ary mampiseho azy miharihary ny EKAR aloha amin'izao fotoana izao.

Dia izay indray ny resabeko androany.

Isaorana ny Katolika

2008-11-02 @ 16:12 in Finoana

Alahady indray ny andro. Raha aty amin'ny tany mahantra andalam-pandrosoana mbola mahery ny fivavahana. Alahady voalohany amin'ny volana aogositra, fandraisana ho an'ny protestanta amin'ny ankapobeny. Ny an'ny Katolika eto amin'ny arsheveshe Antananarivo indray dia famaranana ny sinaody lehibe.

Vory maro dia maro tokoa ny mpivavaka avy amin'ny EKAR maneho ny firaisan-kinany sy ny fahazotoany. Tsy mba mifidy toerana tokoa ry zareo na dia mingaingaina tokoa aza ny hainandro.Ataoko fa tsy latsa-danja amin'izany ny fanentanana isam-piangonana tany. Ny protestanta manko amin'ny ankapobeny na entanina aza dia manao hoe iza koa no hitanin'andro any?

Fa ny tena mahavariana ary tsy mitsahatra aho ny mamerimberina dia hoe fa inona foana ity fanapahana ny lalan'Anosy andro alahady maraina ity ka manakorontana ny fiainana andavanandron'ny olona hatrany. Tsy misy afa-tsy eo ve ny toerana ahafahana manao izany. Nisy hazakazaka bisikileta maraina indray manko nanodidina an'Anosy. Tena voahelingenina ny rehetra satria tapahina ny lalana ami'nny fotoana tahaka ireny. Izany no isaorako ary ankasitrahako ny katolika fa tsy mihemotra amin'ireny izy ireo. Vao maika aza manaika ny hambom-pony raha izany ihany koa no azo ilazana azy.

Tsy nandeha mivantana tamin'ny haino aman-jerim-panjakana moa ity fotoan-dehiben'ny katolika ity... ary manahy mafy aho fa tsy nanatrika io ny filoham-pirenena. Saika tsy nolazaina tamin'ny rnm ny fisiany fa tamin'ny vaovao teny frantsay ihany no nilazana azy. Eo no manahirana satria hevitro manokana tahaka ny tsy miraharaha ny katolika mihitsy ny filoham-pirenena.

Fa ny iverenako hatrany ihany koa dia ny faneken'izay tompon'andraikitra ny hisian'ny fanelingelenana mandrakariva isaky ny alahady voalohan'ny volana. Tena omeko tsiny mihitsy izay tompon'andraikitra manaiky ilay izy satria toa fanivaivana ny zavatra fikirin'ny maro no ataony manapaka io lalana maro mifamezivezy rehefa alahady io (na ny ankehitriny na ny taloha). Raha vitsy an'isa ny kristiana dia tsy olana mihitsy fa raha betsaka kosa hananany olana ihany io ny farany. Izaho moa dia manameloka mandrakariva io fanelingelenana io hatramin'ny ela ary fantatrareo izay nanaraka ny bolongako hatry ny ela izany.

 

Tsy halloween

2008-10-31 @ 21:24 in Finoana



Somary nahagaga ihany fa tsy re teto amin'ny tanàna tamin'ny dokambarotra na ny mifanahatahaka amin'izany loatra ilay fety malaza any Etazonia na Amerika avaratra... Tsy fantatro loatra antsoina hoe Halloween teto Madagasikara e! Nisy ve ny fandrarana sa inona ny antony? Tamin'ny herintaona manko noezahin'ny mpivarotra ihany ny hampalaza azy ity saingy lasa fetin'ny mpifankatia bis ihany ilay izy. Nentina nandaniana ny alina fotsiny. Levona tanatin'ny Zoma mahafinaritra tsotra fotsiny aloha izy tamin'ity taona ity. Tsy nisy fanamarihana manokana intsony.

Toa nisy ihany angaha ny fivezivezena eran'ny tanàna izany, saingy tsy nandre aloha aho, hoe asiana fety eny amin'ny araben'ny fahaleovantena amin'ity alina ity; nefa lasa ihany ny eritreritro hoe sao dia ilay fetin'ny fizahantany karakarain'ny Ortana ihany izany fa afangaron'ny olona heveriny fa hanamarika ny Halloween ny TGV. Izaho kosa tsy mihevitra ny mpitantana ny tanànan'Antananarivo haka tahaka be fahatany hanandratra kolontsaina vahiny tsy mahazo ny fon'ny Malagasy tahaka ny Halloween.

Nisy ihany ny radio niresadresaka momba azy ity saingy tsy nanaitra ahy mihitsy e! Ny fantatro dia tsy raharahan'ny besinimaro ihany koa, ary ny tena mahavariana na ny loterana aza tsy mahalala ny maro raha anontaniana. Tsy mba horakorahana ihany koa moa ilay izy fa nentina mangina. Ny mitataovovonan'ny 31 oktobra 1517 manko no nametrahan'ilay Mpanitsy fivavahana  Martin Luther (tsy King) ny petra-kevitra 95 teo amin'ny varavaram-piangonan'i Wittenberg (Lutherstad) ary nanoratra tany amin'ny arsheveka Albert de Mayence tsy hampivarotra ny indolzansy intsony. Noheveriny fa fitaka nentina hanaovana varotra fotsiny (hahazoana volabe ) io indolzansy io.

Raha tamin'ny teny Latinina no nanoratana ireo petra-kevitra ireo noho ny fahazarana sy ny fomba dia voadika haingana tamin'ny teny fantatry ny olona ihany (alemana eto). Nahoraka tamin'ny tanàna maro ny momba ity petra-kevitra ity izay nanaraka ny toriteny nafonja ihany koa. Ity indro ity no ilazan'ny mpahay tantara loterana azy hoe andron'ny filazantsara. Tsy ny indolzansy no notoheriny fa ny fivarotana azy (in dr.Theol. MARTIN LOTERA sy ny asany nosoratan'i LJ Danbolt ed faharoa p.63). Tsy nanao tsinontsinona ny  indolzansy izy, fa ny filazantsara no kosa no nasandrany ho ambony kokoa (in idem). Ny fiovana sy ny fanitsiana dia nandeha tsikelikely fa ity andro ity kosa no tena nisy fiantraikany goavana indrindra tamin'izay nataon'ity mpanitsy fivavahana ity.

Fa dia inona loatra koa angaha no nahatonga ahy hametraka indray ity tantara ity? Voalohany, teraky na zanaky ny reformasiona aho. Tsy hoe io no tonga lafatra fa mpanoro ny lalana tokony hodiavina ihany ho an'ny mpanara-dia an'i Kristy. Faharoa, tsy mba mpankasitraka velively ny fivavahana lasa raharaham-barotra itadiavam-bola mihoam-pampana aho. Tsy ny vola no mamelona ny fiangonana fa ny Fanahy Masina amiko. Mpanompo mahatoky ny vola fa Tompo lozabe. Mampalahelo anefa fa matetika takon'ny varotra mandrakariva ilay fetim-pivavahana (raha atao hoe fety ihany koa) ka izay mihetsika rehetra dia vidiam-bola avokoa. Tranga iray nanimba ny raharaham-barotra nifandraika tamin'ny fivavahana hiankina amin-javatra tsy mifototra amin'ny filazantsara ity 31 oktobra 1517 ity ka satry averimberiko mandrakariva. Aleo ihany manko amin'ny fahafoizan-tenan'ny tsirairay no anompoana fa tsy vidiam-bola akory ny lanitra.

Tsy aleo ve tsy mivavaka akory?

2008-10-27 @ 20:48 in Finoana

Vao avy nandia faran'ny herinandro indray isika teo. Faran'ny herinandro hialan-tsasatra ho an'ny be sy ny maro. Fa misy ihany koa ireo mamonjy fiangonana amin'io fotoana io. Ny aty amin'ny ila-bolan-tany atsimo aloha mbola manana ny tanjany tsara io fivavahana io. Any amin'ny tany tandrefana no karazan'ny efa lefy mihitsy satria efa efa zary an-jaza izany amin'ny foto-pisainan-dry zareo.

Izaho manokana dia tsy mandà fa anisan'ny tena naharatsy laza ny fivavahana ny endrika famoronana natao handrendrika ny fisainan'ankizy tahaka ny dadabe Noely izay ho avy tsy ho ela indray. Efa mananontanona manko ny fetin'ny faran'ny taona. Rehefa mihalehibe ny zaza dia mahatsapa avy eo fa nofitahina tamin'ity resaka dadabe Noely ity. Mikisaka ho azy avy eo ny fisainana ka heverina koa avy eo fa mety ho noforoporonina ihany koa ilay Jesoa ifikiran'ny kristiana mafy. Mba efa nanaitra ihany aho tany alohaloha tany fa efa nahazo valinteny hoe dia ahoana indray no hamalifaliana ny ankizy? Dia ampiainana amin'ny lainga mandrakariva izy izany ho'aho koa.

Fa iray amin'izay tena mampihemotra ny fitoriana koa ny fihatsarambelatsihy ananan'ny maro amin'ny mpivavaka. Raha nahamarika isika dia io no teboka goavana iray tena famerimberin'ny olona tsy te-hiherika fivavahana intsony raha mijery ireo olona milaza azy ho mpivavaka manodidina azy izy. Ankoatra izay moa ny toetra hafa izay karazan'ny manambany sy miteny ratsy ary manompa mihitsy aza ireo efa lasa tsy mino an'Andriamanitra intsony. Rehefa dinihina dia entin'ny fo fotsiny. Matoa anefa ireny efa tsy mino ireny intsony manana ilay foto-pisainany tahaka izay dia efa lasa manana ny filozofiany noho ny fandinihana sy ny fandresendahatra tao anatiny tao indrindra rehefa mijery ireo heveriny fa mpino izy. Etsy andaniny anefa izany fandinihana lalina anaty izany (fandinihana ny tena sy ny hafa) toa tsy nandalo tamin'ny maro an'isa tamin'ny mpino fa ny mandray izay tany an-trano fivavahana izay very ny roatokony no heveriny fa fieritreretana nataony momba ny tenany.

Ankoatra izay indray moa ilay tantara laza ratsy nanalana baraka ny fiangonana an'arivony taona izao sy ity fisainan'ny fiangonana (tandrefana) ankehitriny efa mitsontsorika tanteraka ity. Miala tsiny aho miteny izany satria natao itoriana teny ihany koa ireo olona mivady amin'ny mitovy fananahana aminy sy ireo tsy manaiky ny nanaovan'Andriamanitra azy ho lahy na ho vavy fa izany tsy manome zo azy velively (amiko manokana) ho mpitari-pivavahana ihany koa nefa ny toetrany sy ny fironany mbola tsy miova akory. Tena mitsara indray aho eto ary azo kianina amin'ny fomba fihevitro. Ny mpitarika fivavahana manko dia fitaratra eo amin'ny manodidina azy. Matoa ny epistily nametraka fa tokony ho manambady tokana ny diakona sy ny mpitandrina ohatra dia misy jery ao tsy hitodihan'ny maso ho any amin'ny mpanankarena (lahy izay matetika mirona hanambady maro hatrany rehefa manambola izay) fa hiherika kosa any amin'ireo heverina ho mitandro tsara kosa ny hasin'ny ankohonana (ka manana ny fidelité). Izay fomba fijery izay dia ataoko fa mifangarika amin'ny fomba fijerin'ny be sy ny maro manerana izao tontolo izao amin'ny ankapobeny.

Fa hatramin'izao aho mbola tsy niditra mihitsy amin'ny anton-dahatsoratra akory. Hita tokoa aloha ankehitriny fa mbola misy ihany ilay endrika rebik'ondry manaraka ambokony izay izoran'ny be sy ny maro. Ny mampihomehy anefa dia ilay be sy ny maro ihany koa tsy manana tanjona mazava loatra. Ny tena ao an-tsaina dia araka ilay fomba fiteny malagasy hoe ny mitabe tsy lanin'ny mamba, ny akanga maro tsy vakin'amboa ary izay be no basy. Hany ka tsy hahagaga loatra raha misy ity tranga tantaraiko manaraka ity.

Misy tanora mitovitovy taona miaraka fiangonana, mifanakaiky dabilio na iray sampana dia lasa mpinamana ho azy eny. Lasa mpiresaka ary dia mora ho azy ny fifampitaritarihina. Tsy dia ho amin'ny tsara loatra ilay fifampitaritarihana fa miara-mibolisatra any ho any ka mampahatsiahy ilay hira "ô gorisa gorisa" somary lava iny fa manana tononkira miverimberina izay. Zavatra fahita isan'alahady izy ity na dia somary samy manana ny mampiavaka azy isam-paritra sy isam-piangonana ihany aza. Fiangonana eny ambonimbony eny eto Antananarivo no oharina eto ary tafiditra avokoa na ny fiangonana katolika na ny fiangonana protestanta. Misy fotoana leon'ny fizotran'ny fotoam-pivavahana ve ry zalahy (nefa maro an!) sa dia noho ny fahazaran-dratsy fa dia ireny miditra ao amin'ilay mpivaro-toaka avokoa. Feno ho'aho ny fivarotana ary misotro toaka avokoa ry zalahy nefa ny fitafy io ilay fitondra am-piangonana. Rehefa avy misotro ry zalahy dia mividy tsakitsaky sy na siligaoma avokoa mba hamono izay fofona mety ho tavela dia miditra am-piangonana indray. Mba jerijereo hoe ry zalahy ao ampiangonana ireny fa toa be mpitsako siligaoma rehefa avy noheverina ho "namonjy poritra" ireny.

Dia lasa amin'izay ny saiko hoe: tsy aleo ve tsy miangona tsotra izao toy izay mifamitaka tahaka izao? Iza no fitahina? tahotra ray aman-dreny angaha no nandehanana niangona tany? sa any am-piangonana no tena ahitana ny jôba ka izay ihany koa no tena mampazoto ho any fa tsy inona loatra? Sa mbola heverina fa izany mpiangona izany no ahazoam-boninahitra? Fatiantoka fotsiny ry zalahy ny mankany am-piangonana raha tahaka izany sady mandany fotoana fotsiny fa aleo ary mijanona any an-trano tsotra izao. Efa lalana mankany amin'ny tsi-finoana ihany aloha izany lalana izany rehefa mbola tsy nanaitra ilay feon'ny fieritreretana e! Any an-trano anie afaka mihaino izay tiana henoina, afaka mijery izay tian-kojerena ary afaka manao izay tiana atao e! Fa raha mijoro amin'ny maha-anao anao ianao no tsy menatra amin'izany ijoroanao izany mety hanana ny fiadanana anaty kokoa... dia ho tsapanao kokoa ny antony andehananao any ampiangonana na tsy tokony andehananao any intsony. Farafaharatsiny jerena ny namana izay tsy mitarika lava anao hivoaka ny fiangonana raha te-ho tamana ao ihany ianao.

Omeo vehivavy hendry aho...

2008-10-15 @ 22:39 in Finoana

...hananganako firenena vanona. Noheveriko ho teny ao amin'ny baiboly izy io; kanjo diso hevitra aho. Tenin'olona tsotra izy io. Tsy nahita azy io tao amin'ny baiboly aho, na izaho no tsy nahay nikaroka azy...nefa nandany fotoana ihany hijery azy tao amin'ny kônkôrdansa. Amin'ny ankapobeny anefa dia nampidirina ho anisan'ny soatoavin'ny mpandala ny baiboly ny teny ary matetika no karazana atao ho lohahevitra mihitsy aza. Ekeko ny fahamarinan'ny teny sy ny lanjany. Tsy mba tahaka izany kosa anefa fa laviko kosa ny fanandratana ny teny hoe "Ampio ny tenanao dia hanampy anao ny lanitra"na ny "Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany". Fa mitady hivaona amin'ny resaka tiako fotorina aho izany.

Mametraka sahady fa ny vehivavy hendry no fototry ny firenena vanona. Ny vehivavy manko no miteraka ary mahatsapa ny vesatra sy ny fijalian'ny fiterahana. Rehefa tontosa anefa ny andro iterahana ka tonga ny zaza, iny no lasa mamy indrindra ho an'ilay niteraka azy. Mamy tena mamy raha zanaka niriana fa fanorisorenana kosa raha vohoka azo tsinahy noho ny fahafinaretana fotsiny ihany. Taonjato anjakan'ny fahafinaretana tokoa izao iainantsika izao nefa miara-dalana aminy ihany koa ny voninahitra. Matetika raha misy ny vohoka tsy nirina na ivelan'ny fanambadiana nefa mba manana ny hajany ihany ny ray aman-dreny no karohana mandrakariva izay hanalana iny zaza am-bohoka iny. Lasa ambany noho ny voninahitra na ny fahafinaretana ny aina. Ny aina izay sarobidy indrindra eo anatrehan'Andriamanitra. Te-hahalala anefa aho etsy ankilan'izay hoe firy isan-jaton'ireny nanala zaza ireny no nanenina tamin'izay nataony avy eo? Raha olona tsy mahalala afa-tsy ny fahafinaretana aloha mety tsy hanenina mihitsy, mitohy am-pilaminana indray manko ny revy. Fa raha olona notezaina ho olom-banona ihany na tonga amin'izay amin'ny faniriana hananjanaka amin'izay no lasa afa-jaza hatrany avy eo? Deraiko manokana noho izany ny vehivavy nisafidy ny hitazona ny zanany na dia nofitahin'ny sakaizany nanaovana filan-draha tsy mahita fotsiny aza. Tsy miresaka fandrindram-piterahana ivelan'ny voajanahary kosa indray aho.

Manaraka izany, eto ampanoratana aho no mahita fa toa mifandaka ny fahafinaretana sy ny fandraisana andraikitra hametraka fanorenana maharitra sy mitohy. Efa manjaka amin'ny Tandrefana sy ny mpandala faratampony ny kolontsainy miridana toa soavaly tapa-kofehy fa tsy maharitra velively izany fanambadiana izany. Resaka fahafinaretana ara-pananahana sy fianohana anaty vola aman-karena no heveriko ho fototr'izany. Ny tsapan'ny olon-dehibe ihany no lanjalanjainy, ny fitiavan-tenany hikaroka hatrany ny fahafinaretany no asandratra hany ka tsy noheverina velively tao anatiny ny ratram-po mahazo ny zanaka iharan'ny fisarahan'ny ray aman-dreny. Mizaka ny safidin'ny fitsarana amin'izay hitaiza ny zaza sisa no mba zon'ny ankizy.

Omeo vehivavy hendry aho hananganako firenena vanona. Toa mametraka fa andraikitry ny vehivavy ihany no hahavanona ny taranaka handrafitra ilay firenena rahampitso. Fahadisoan-kevitra izany: efa manamarika sahady ny fahavononan'ilay miteny heverina ho lehilahy mihevitra hanorina, hanangana, hanohy izay hahavanona ny firenena izany. Manambara fa tsy vitan'ny lehilahy irery ny manangana io firenena io fa tsy maintsy manana ny anjara toerany lehibe ny vehivavy. Tsy lehilahy sy lehilahy no hiandraikitra amin'ny fanorenana ilay ankohonana fototry ny firenena ary tsy vehivavy sy vehivavy ihany koa fa lehilahy sy vehivavy. Lehilahy iray sy vehivavy iray miara-mibanjina ny hoavy ho an'ny ampitsony sy ny taranany.

Ravalomanana: Aleoko miala tsy ho filohampirenena...

2008-08-21 @ 08:05 in Finoana

Nihazakazaka mihitsy aho hanoratra ity na dia hiserana ihany aza. Ataoko fa karazany tsy nampoizin'ny maro ihany ny nahalany ny filoham-pirenena Ravalomanana ho filoha lefitry ny FJKM indray. Izaho kosa efa tsy gaga intsony fa efa nilazana tsinona ka niandry ny fidonany fotsiny. Tsy nosoratako mialoha anefa izy ity fa nisy namana vitsivitsy nilazako azy ambava ihany.

Fotoana vitsivitsy lasa izay, tsy hiteny aho hoe andro vitsivitsy, na herinandro vitsivitsy, na volana vitsivitsy na taona vitsivitsy fa izay fotoana vitsivitsy tsy voafaritra mazava izay no ambarako. Nisy olona vitsivitsy ao anaty ny rafitry ny FJKM niangavy ny filoham-pirenena ankehitriny tsy hirotsaka hofidiana ho filoha lefitry ny FJKM intsony fa manjary manaratsy toerana ny FJKM ho mifamatotra loatra amin'ny fitondrana, ary manimba ny fitoriana ny Filazantsara, ny mbola fitoerany eo ihany. Tsotra ny navalin'ny filoha: Aleoko miala tsy ho filohampirenena toy izay tsy hirotsaka ho filoha lefitry ny FJKM. Tsy nahateny intsony ireo mpikambana vitsivitsy ao anatin'ny rafi-piangonana FJKM ireo.

Koa nahoana ary no fifaninanana Minisitra taloha sy amperinassa no heno omaly? Tsotra ny antony: Tarafin'ny filoham-pirenena mialoha ny safidin'ny mpizaika mahazo mifidy tamin'ny nametrahany ireo minisitra mirahalahy hifaninana amin'ilay minisitra noesorin-dRavalomanana. Manana mpanara-maso azy manokana mampita vaovao izy ka rehefa tsinjony fa mbola malalaka ny lalana dia asainy miala tsy hifaninana ny Minisitra Hajanirina Razafinjatovo sy ny Minisitra Ivohasina Razafimahefa ka izy indray no mirotsaka.Hain'ny filohampirenena tsara ny fomba fifidianana ka nampiasainy tokoa.

Toerana mbola heveriny ho andry iray lehibe hahalany azy ho filoham-pirenena amin'ny fifidianana manaraka io toerana io ka tsy hamelany mihitsy.

FLM: Lalampanorenana vaovao hanakanana olona iray?

2008-08-10 @ 08:39 in Finoana

Toy ny kinendriko mihitsy angaha ny mamoaka lahatsoratra rehefa alahady ary vaovao momba ny finoana sy ny fivavahana no avoaka araka izay azo atao amin'izany. Eto indray aho dia mitodika amin'ny Fiangonana Loterana Malagasy. Fantatra moa amin'izao fotoana izao fa mety hisy ny "fanovana" madinidinika amin'ny litorojia sy ny lalampanorenan'ny Fiangonana Loterana Malagasy. Fanovana Tekinika hoy ny iray amin'ny tompon'andraikitra lahika iray izay. Tafiditra amin'izany ny hampidirana anaty Litorojia ny fanekena mpiandraikitra sokoto (scout) sy ny an'ny Fifohazana. Tsy sahy miraparapa amin'ity farany ity aho. Fampidirana ny inona tokoa moa izany? Ampidirina anaty litorojia amin'izay ve ny asa sy fampaherezana sa ny fanokanana mpiandry any am-piangonana fa tsy voatery any amin'ny tobim-pifohazana ihany no tena lazaina?

Tafiditra anaty "fanovana" madinidinika ihany koa ny famerana ny fotoam-piasan'ny mpiasam-piangonana rehetra tsy ho 65 taona intsony fa ho 60 taona indray. Raha ny fahitako hatramin'izay any amin'ny sehatry ny fiangonana dia misy ihany ny mpitondra fivavahana mihoatra ireny fotoam-piasana ireny ny tena iasany any amin'ny sahan'ny fiangonana... fa amin'iny fotoana iny dia miandry ny anaovana jobily azy izy sisa (anokanan'ny fiangonana rakitra) fa tsy homena andraikitra vaovao intsony. Izany hoe tsy tokony hofidiana ho filohan'ny sinaodam-paritany (eveka) na ho filohan'ny anaram-pangonana FLM (arisheveka) intsony na hotendrena amina andraikitra anivon'ny sahan'ny fiangonana.

Eo indrindra isika. Misy ary ny miahiahy amin'io fampihenana ny taona handefasana retirety ny mpiasam-piangonana io ho fikendrena hanakanana pasitora iray heverina ho mifaninana amin'ny filohan'ny FLM amin'izao fotoana izao, Pst Dr,Rakoto Endor Modeste. Ahiahy satria mety ho resin'ny mpifaninana aminy izy, izay tsy iza fa ny Pst Dr Péri Rasolondraibe izany, na dia noho ny lazan'ilay pasitora fotsiny ihany aza. Heverina manko fa efa mihoatra ny 60 taona ny Pst Péri Rasolondraibe, efa nitondra ny fitandremana FLM toby fanantenana 67ha, nandalo kely tao amin'ny FLM Ambatovinaky mialoha ny nanilihana azy hitana andraikitra any Geneve (Suisse) ho talen'ny fampandrosoana anivon'ny FLET (Fiangonana Loterana Eran-Tany),mba hamerenana ny filohan'ny sinaodam-parintany teo ho amin'ny toerany teo aloha, araka ny fijeriko ihany izany.

Zavatra mba fantatro amin'ny Pasitora Péri Rasolondraibe ihany koa ny tolona ataony mba hahapasitora amin'izay ny vehivavy teolojiana...izany hoe ahafahan'ny vehivavy ho mpitondra fiangonana amin'izay. Izy manko no manao fampielezankevitra eken'ny fiangonana amin'izany raha ny filohan'ny sinaodam-paritany Antananarivo Pst Randrianarivelo Joseph kosa no manao fampielezankevitra eken'ny fiangonana hanemorana izany fanaovana ôridinasiona ny vehivavy izany. Ny amin'ny homosexuel indray moa dia tsy mila adihevitra mihitsy fa lavina avy hatrany. Iraisan'ny fiangonana aty amin'ny ila-bolantany atsimo io amin'ny ankapobeny. Lavina tsy ilàna adihevitra mihitsy.Ankoatra izany, ny Pst Péri ihany koa no fantatro anivon'ny FLM nitolona mandrakariva ho amin'ny fampitambarana ho iray ny FLM sy ny FJKM. Efa tsy reko intsony kosa aloha izay tolon'ny raharaha amin'ity fampitambarana ity.

Fahatsapako, izaho jentilisa, mahita ny zotram-piainan'ity pasitora nolazaiko ity dia ny sedra nahazo azy nandritra ny fotoana nitandremany hatramin'izay. Tsy tadidiko ho nahazo andraikitra ambonimbony anivon'ny sahan'ny FLM mihitsy izy fa raha any ivelany kosa dia efa nisy voasoratra ihany ery ambony ery. Miala tsiny aho amin'ny fitenenana somary masiaka fa toa atahoran'ny mpitondra fivavahana hafa izy noho ny herimpanahy (charisme) ananany ve? Koa raha ho voasakana tsy hahazo hirotsaka indray izy raha voaova ny lalampanorenana dia izay no fanakatsakanana faratampony heveriko fa faratampony indrindra nihatra taminy. Toy ny  nosakanana tsy hampisy fivoarana ny fiainam-piangonana mihitsy izy nandritra ny androm-piainany. Fahatsapako ihany anefa izany fa tsy voatery hitombina.Izy tenany sy Andriamanitra ihany no tena mahalala.

Raha mitombina ary ny ahiahy dia fanehoana ihany koa fa mbola ety an-tany ny fiangonana ary misy olona mitantana azy. Olona ihany ny mpitondra fivavahana. Mety mampihemotra olona ny mitranga fa efa nampianarina tsy hijery olona ny tena rehefa fivavahana no resahina, satria mpandiso fanantenana ny olona amin'ny ankapobeny, fa Andriamanitra ihany no banjinina.

Nailiky ny FJKM ry Ratovohery Eddy (Zoky Eddy)

2008-08-03 @ 21:57 in Finoana

Tsy tany amin'ny FJKM aho androany no namonjy fotoam-pivavahana fa tany amin'ny FLM Ambatovinaky. Miala sasatra moa ny Sekoly Alahady misy ahy ka dia naleoko niakatra tany an-tanàna ambony indray (intelo alahady androany).Noho izany tsy reko mivantana ny filazana tao amin'ny vaovaom-piangonana fa olona no nampita tamiko. Tsy nianona tamin'ny filazan'ny olona iray fa lasa nanontany olona hafa iray fiangonana mihitsy. Dia voamarina tokoa fa teny midina izy ity (avy aiza ary?) ary nolazaina fa "tsy miara-miasa amin'ny FJKM (Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara) intsony Ratovohery Eddy sy ireo mpiara-miasa aminy (iza no tena tompon'ny fanapahan-kevitra?). Hevitreverina fa naely nanerana ny sahan'ny FJKM ity filazana ity ka ny eto an-drenivohitra aloha no mahalala azy androany.

Loharanom-baovao hafa ihany koa no nandrenesana fa na Ratovohery Eddy aza dia mahalala tsara fa tsy mahazo mampianatra (manao seminera) any amin'ny FJKM intsony izy ka ny FLM (Fiangonana Loterana Malagasy) no miara-miasa aminy amin'izao fotoana izao (ankasitrahako ny FLM izany).Koa amin'izao ankatoky ny zaikabe sy ny fankalazana ny ivon'ny fankalazana ny faha-40 taona ny FJKM hotanterahina any Mahajanga izao dia te-hahalala aho hoe inona no anton'izao teny midina izao? Nisy fahotana mahafaty nataony ve? Nanevateva ny FJKM ve izy sa nandika ny lalàna fiorenan'ny FJKM? Sa tsy mifanaraka amin'ny foto-pinoan'ny FJKM ny zavatra ampianariny? Miandry fanazavana avy amin'ny Foibe na izay niandohan'ny teny midina aho. Naninona no tsy niandrasana Sinaoda Lehibe ny fanapahan-kevitra... Sa ity no karazana antso manao hoe Mivoaha! Mivoaha ao Babilaona ianareo oloko, fa Rava Babilaona lehibe?

Raha misy ny fitenenana hoe tsy miara-miasa dia karazany fandroahana ankolaka ihany izany. Ny fiangonana manko araka ny fihevitro misy ilay teny hoe tsinjaraina ho samihafa ny fanomezam-pahasoavana fa ny Fanahy dia iray ihany, tsy voatery ho maso avokoa ny momba ny tena, ary ny maso tsy mahazo miteny amin'ny tanana hoe satria tsy maso ianao dia tsy ekena ho momba ny tena (fiangonana). Koa raha misy singa amin'ny tena esorina dia tokony ho araka ny filazan'i Jesoa manao hoe raha ny tananao no mahavery anao, esory any fa aleo ianao voavonjy tapatanana toy izay very manontolo miaraka tamin'ilay nampanota anao. Fanomezam-pahasoavana ho azy ny mampianatra koa raha tsy mahazo mampianatra intsony izy dia tsy avela manao ny asam-pahasoavana nomena azy...midika ho fanalana azy ihany fa tsy inona tsy akory.

Tranga efa niainako manko ny nandrarana ahy tsy hahazo mampianatra sekoly alahady intsony tany amin'izay FJKM (tsy ilay ampianarako sekoly alahady amin'izao fotoana kosa aloha) iray izay. Tsy hoe nahabevohoka zanak'olona aho na nanodikodina zaza tsy ampy taona fa nianatra saikolojia tany amin'ny fiangonana tsy miankina iray izay (ny fiangonan-dRakotomalala Romain) no nisy nahita sady izaho koa tsy niafina ka ahiana mety hanao fampianaran-diso. Mazava loatra fa tsy manana na inona na inona mamatotra ahy aho ka raha izay kely tiako zaraina no andrarana ahy, misintaka soa aman-tsara aho mazava loatra.

Tsara ihany angamba ny mampahafantatra izay tsy mahalala hoe iza moa Ratovohery Eddy. Tsy afaka ny hihambo ho mahalala azy aho fa izay fantatry ny maro nanana fifaneraserana lavitra azy ihany no fantatro. Voalohany, tsy mpitondra fivavahana izy fa kirisitiana tsotra, izany hoe lahika. Tao amin'ny Fikambanan'ny Mpiara-mamaky ny Baiboly deparitemantan'ny fanolorantsaina ho an'ny mpivady no azo lazaina fa nipoiran'ny Mission Pour Le Salut et le Service de la Famille na Fikambanana Vonjeo ny Fianakaviana izay naoriny. Manana ny teny faneva manao hoe "Ringana ny oloko noho ny tsy fisian'ny fahalalana"izy ary dia io fandaharana Vonjeo ny Fianakaviana io no tena ahafantarana azy. Teny Firantsay ny famelabelarana nataony tamin'ny voalohany (noho izy nampianarina tamin'ny sekoly Firantsay fahatanora) fa taty aoriana vao naompany ho amin'ny teny Malagasy hahatratra ny sarambambem-bahoaka indrindra fa ny tanora.

Sahiko ijoroana ihany koa fa efa nanaraka ny seminerany aho indroa (sa intelo akory aza) izay. Ny voalohany tao amin'ny Radio sioka Vao izay tsy hita nanjavonana ankehitriny ary nifampitohy avy hatrany tamin'ny fanarahana mivantana ny seminera notontosaina tao amin'ny tranompokonolona Analakely (andiany faha-30) ary ny fahatelo dia vao tamin'ny herintaona tao amin'ny FJKM Ambatonakanga. Anisan'ny nampijoro ahy ho tsy ho voahozongozona tamin'ny finoana ny seminerany, ka nahafahako nijoro tamin'ny maridrefin'ny baiboly fa tsy izay lazain'ny olona sy ny ataony mifandaka tanteraka amin'ny torolalan'i Kirisity aza.

Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.

Vavaka manova zavatra (Misy hatsikana)

2008-07-20 @ 13:06 in Finoana

Alahady indray ny andro. Androm-pivavahana ho an'ny kristiana mahatsiaro ny andro alahady nitsanganan'i Jesoa Kristy avy amin'ny fahafatesana. Nandreseny ny fasana araka ny fiteny kristiana. Mba hitantara zavatra mifandraika amin'ny fivavahana aho amin'ity andro ity.

Tapa-bolana katroka izay dia izaho irery no tao an-trano. Lasa any amin'ny farintany avokoa ny fianakaviana rehetra. Izaho sisa karazany niambin-trano noho ny asa - miasa na dia alahady aza - miandry ny tolakandro. Raikitra indray ny hira tsinjatsinjaky ny trano somary ampitanay izay. Izaho amin'io mba te-hihaino hiram-panahy sy hiram-bavaka. Mazava loatra fa sorena aho. Isan'andro izao ny azy tsy mitsahatra mihitsy. Tahaka ny hoe izy irery no manana maneno. Izao amin'izay, hoy aho ny fotoana fanararaotra hanaovana izay nokasaiko hatry ny ela. Nalaiko ny radiô. Nataoko teo an-tokontany dia nokarohiko amin'izay ny maridrefy mandefa hiram-pivavahana fotsiny. MRE (Les Messagers Radio Evangelique) no nisy nifampitohy sady tsy nisy resaka firy. Nalefako mafy amin'izay. Izany hoe samy mitatatata izany ny anay roa tonta. Efa ela no niandrasako fotoana tahaka izao ka faly aho nanatontosa azy.

Nahagaga tamin'io fotoana io fa tena araka ny karazany tokoa ny hiram-pivavahana nandeha ary izay hira nandeha tery ampita toa vasoka hatrany raha miohatra noho izay nalefako. Nivoaka ireo ankizy tery ampita dia toa nivezivezy teo anoloan'ny trano teo. Te-hihaino ny hira nalefako ve? Nandeha amin'izay ilay hiram-pifohazana avy any Manolotrony mitondra ny lohateny hoe "Vavaka manova zavatra" iny. Ny ngadon'ny hiram-pifohazana sy ny hira zafindraony moa somary be itovizana izay nefa nahafinaritra io karazan-kira io. Atsasak'adiny na adiny iray latsaka fahefany teo ho eo no nifaninana hira izahay fa nahenany tsimoramora ny feo. Araka ny nampihenany ny azy no nampihenako ny feon'ny radioko ihany koa. Farany, tonga eo amin'ny tsy manorisory intsony ilay feo avy any. Nampidiriko ny radioko dia nalefako araka ny tokony ho izy ihany koa. Nanomboka tamin'io fotoana io (tapabolana izay) dia tsy nitabataba loatra intsony ny radion'io trano fivarotana nampiaiky ny manodidina io ny tabataban-kirany efa telo taona teo ho eo izao.

Hafa indray, matetika moa no mifanenjika ny mpiasan'ny kaominina Antananarivo sy ny mpivarotra amoron-dalana. Ny mahatsikaiky dia mandraoka tokoa ry zalahy rehefa mandraoka entana izay, any anaty fiarabe avy hatrany avokoa fa ny an'ny mpivarotra baiboly ihany no tsy misy mikitika mihitsy. Manaja fivavahana angaha ry zalahy ka tsy sahy mikitika ireny mpivarotra baiboly ireny.

Farany, malaza dia malaza moa ny hiran'i Tsiliva mitondra ny lohateny hoe "oui, oui" iny. Misy ilay Jesoa manao karate amin'ny devoly iny. Tao amin'ny sekolim-pinoana iray teto Antananarivo no nisy boaikely roalahy nanao sarin'ady ka nampitangorina ny ankizy sy nampitabataba azy. Taitra ny surveillant ka lasa nankeny amin'ny ankizy hanasaraka sy haka azy ireo ho any amin'ny birao. Vantany vao tonga teny amin'ny ankizy anefa izy dia niala haingana izy roalahy nanao sarin'ady teo dia nitangorona nanodidina ilay surveillant dia nihorakorahan'ny ankizy sy nitehafany hoe "Jesosy, Jesosy" toy ilay amin'ny lahatsarin'i Tsiliva iny indrindra. Be volombava manko ranamana ka ataon'ny ankizy fa Rajesosy. Nampanantsoin'ny surveillant daholo ny ray aman-drenin'ny mpianatra rehetra...

Fetin'ny reny malaza noho ny pentekositra

2008-05-25 @ 22:54 in Finoana

Tsy misy izay tsy niaiky fa nitohana tokoa ny fifamoivoizana nandritra iny herinandro nivalona iny teto Antananarivo. Feno olona nifamoivoy ihany koa ny tsena sy ny sisindalana indrindra fa ny tany afovoan-tanàna. Manamarika izany amin'ny ankapobeny fa manomana zavatra any an-tokatranony tsirairay any ny olona na dia mikaikaika noho ny fahasahiranana aza. Raha atao aza ny fampitahana dia io araka ny lohateny nolazaiko io fa nalaza noho ny pentekositra ny fetin'ny reny tamin'ity indray mitoraka ity, marihina anefa fa fetim-pivavahana ny iray amin'izany fety izany ary fety nateraky ny fiaraha-monina ara-barotra kosa ny iray.

 


Be dia be ary ny marika ahatsinjovana fa resin'ny fetin'ny reny ny pentekositra. Voalohany amin'izany raha jerena ao am-piangonana mihitsy. Vitsy kokoa noho ny tamin'ny pentekositra aloha ny olona tonga tamin'ny fetin'ny reny ka ny tena antony nahatonga izany dia noho ny fahavitsian'ny reny nankany araka ny fijeriko azy. Maromaro tamin'izy ireo ihany manko no nikarakara ny tao an-trano toy izay nandeha nankany am-piangonana. Izany hoe zavadehibe kokoa ilay nijanonana an-trano noho ny nandehanana am-piangonana. Marihiko etoana aloha fa ny tany amin'ny fiangonana protestanta no tena hitako fa tsy fantatro kosa ny tany amin'ny fiangonana katolika.

 


Faharoa manarakaraka izany, mbola ao am-piangonana ihany, efa zary fanao ny miarahaba ny reny ka ny lohalaharana amin'izany dia "ramatoa" (fiantso ny vadin'ny pastora ho an'izay mbola tsy mahalala). Omena fotoana ao anaty fandaharam-piangonana mihitsy izany fotoana natokana ho an'ny reny izany sy ny fanolorana fanomezana ho azy. Anjaranao indray ny maminavina hoe manana anjara fotoana any an-tokatrano ve ny fitarihan'ny Fanahy Masina tsarovana manokana ny fidinany tamin'ny Apostoly sy ny mpanaraka azy nandritra izany pentekositra izany?

 


Fahatelo, ny fikarakarana azy, maro kokoa ny karazan'olona mikarakara ny fetin'ny reny noho ny pentekositra indrindra fa ny fametrahana azy ho laharam-pahamehana na ny lanjany no tombanana. "Hafa ihany i Mama" hoy ny hira malagasy malaza, misiki-ponitra avokoa ny rehetra, eny fa na dia i Neny aza amin'ny fanomanana atao. Na hendry manko na maditra ny zanany, miahy ny naloaky ny kibony hatrany ilay nifonosany amin'ny ankapobeny.

 


Mbola azo atao ny manohy ny resaka, ankoatra ny fahitana fa ny alatsinain'ny fety Paska na Pentekositra aza no malaza kokoa noho ilay fetim-pivavahana, saingy sao dia mivoaka amin'ny lohahevitra banjiniko aho. Na izany aza mampanontany tena ihany hoe efa mihamitotongana ve ny fivavahana kristiana eto madagasikara raha jerena amin'izao lafy izao?

Rta sy ny mariky ny fivavahana amin’i Satana asandrany

2008-03-22 @ 08:22 in Finoana

Efa rentsika ihany angamba ny fiovana sarim-pamantarana nataon’ny vondrona haino aman-jery rta efa ho iray volana latsaka izay. Toa mariky ny finiavana hanam-piovana sy fivoarana ao anatiny io fiovana sarim-pamantarana atao amin’ny vondrona haino aman-jerin’ny rta io. Tafiditra ao anatin’io fiovana sarim-pamantarana avokoa na ny radio rta (102 fm) na ny tele rta ary ny radio tana (94.4 fm).

Tsy ny hanao dokambarotry ny rta loatra anefa no anoratako eto fa tsikaritra hanohintohina io vondrona haino aman-jery io aza. Ialako tsiny fa tsy hisorona aho amin’ity toe-draharaha iray ity. Izay hitako no holazaiko ka na hitory aza izy tsy mampaninona izany. Eto dia tsy hilaza ny an’ny tele rta sy ny radio tana aho satria tsy dia hitako loatra ny hokianina amin’ny sarim-pamantaran’ireo roa ireo fa izay hitrikitrihako kosa dia ny sarim-pamantaran’ny radio rta (102 fm).

Miala tsiny indrindra raha ho fanazavana antsoratra no atao. Antony roa no mahatonga izany: antony voalohany dia somary handany fotoana elaela ihany raha hampiditra sary amin’ity tosaka ambany eto Madagasikara ity, antony faharoa indray dia tsy izaho indray no hametraka azy amin’ny bolongako ihany koa. Hafahafa amiko manko raha hanameloka aho nefa dia asiako ny sarim-pamantarana melohiko eto.

Azo lazaina ho tsotsotra vinany ihany ilay sarim-pamantarana satria io 102 fm io ihany no somary nasiana haingony, indrindra fa ny 0 eo afovoany. Ny anaran’ny sarim-pamantarana moa dia nomena anarana hoe ‘ho anao too’ mifandraindraika amin’ny teny hoe ‘one o two’. Ao anatin’io 0 afovoany io no misy ilay sarim-pamantarana fivavahana na fanandratana ny devoly ry zareo. Famantarana izay mpanao rock manan-daza eto Madagasikara (Iary) ankehitriny ihany no nanazava azy tamin’ny kidaona maraina indray maraina. Nolazainy moa fa raha manatrika ny hanaovana ilay tanana manao V amin’ny fanondro sy ny ankihikely (fa tsy ny fanondro sy ny fanondroadala) dia famantarana fanandratana an’i Satana izany fa raha miamboho kosa dia an’i metal izay. Ny tanora malagasy anefa dia tsy miraharaha izay miamboho sy manatrika anao izany fa ataony daholo ireo.

Tian’ny vondrona rta rahateo ny manao karazam-pihantsiana mba hampalaza azy bebe kokoa fa eto kosa izy amiko manokana dia nihoatra ny fetra. Vao nivoaka ilay sary dia taitra aho. Niandry izay hetsika fanamelohana avy amin’ny fiangonana aho fa tsy nandre mihitsy hatramin’izao. Nolokoin’ny rta ho menamena sy maintimainty indray ilay izy vao tsy ela fa mbola matory na tsy mahalala zavatra angamba ny fiangonana na heveriny ho tsy andraikiny angamba ny mampitandrina ny ondriny indrindra fa ny tanora amin’ity tranga iray ity. Ny tena tsy laitrako dia ireo tanora herotrerony mpanentana ao amin’ny tele rta faly ery manao ny tanam-pamantarana ao anatin’ny fandaharana ho an’ny tanora.

Tsy hiteny intsony aho ny amin’ny malaza any amin’ny ray aman-dreny ny aterineto ho fikarohan’ny tanora malagasy (tsy ampy taona no betsaka) ny momba ny devoly sy ny fivavahana aminy ka tsy ahazoazony loatra ny ankizy hanentana ho amin’izany aterineto izany. Adidy sarotra ho antsika te-hampiroborobo ity sehatra aterineto ity ny handresy lahatra ireo ray aman-dreny ireo. Izay no antony anoratako ity tranga ity satria nipaka any amin’ny haino aman-jery malaza ny fampiroboroboana ny fanandratana ny devoly eto Madagasikara. Raisiko ho adidy izaho samirery ny manameloka io sarim-pamantarana ataon’ny rta io sy ny fanaovana azy ho lamaody any amin’ny sehatra ho an’ny tanora. Aleo izaho irery no hampisaintsaina ny tanora mamaky ity lahatsoratra ity handinika tsara vao hihaino izany rta izany. Izaho manokana dia mieritreritra tsara aho vao hihaino na hijery ny fandaharana atolotry ny vondrona rta rehetra. Raha hiara-dia amiko ho amin’ny fanamelohana ianareo dia aelezo ity lahatsoratra ity na manaova lahatsoratra hafa ihany koa.

Aza aparitaka

2008-01-23 @ 10:21 in Finoana

 

Tamin'ny herinandro dia nahazo taratasy A4 ireny ny olona tao an-trano. Ankizy hoe no nanatitra azy tao an-trano. Tsy nisy niraharaha izay tao anatiny ny olona fa izaho fotsiny no gaga nahita azy nivalapatra teo an-databatra. Dia io misy hoe "sary mahavita fahagagana" amin'ny teny frantsay. Dia avy amin'izay ny filazana hoe nisy filohan'i Arzantina nahazo toa io taratasy dia noheveriny ho vazivazy ka tsy noraharahiany kanjo 8 andro taty aoriana dia maty ny zanany vavy. Nisy hafa indray nanaraka ny zavatra notadiavina dia nahazo tamin'ny lôtô.

Tonga ny filazana hoe mandefasa ity taratasy ity amin'ny olona 20, dia asa ianareo raha nanaraka aloha na tsia fa dia nahazo indray aho omaly ary tamin'ny mailaka no nahazoako. Malagasy ny mpandefa ary saiky Malagasy avokoa ny andefasana, olona miisa ho 50 angamba no nandefasany tao. Dia inona ary ity? Izaho aloha manao hoe aza aparitaka rangahy io zavatra io fa tiako ho fantatra aloha hoe iza ilay filoha Arzantin nahazo ilay taratasy dia maty ny zanany afaka valo andro, tamin'ny oviana koa izany fa hojereko ny tantara a! Sahala ireny hoe matahotra ozona ireny avokoa isika. Dia tahaka ny hoe mandefa ozona aty amiko ianao mandefa ireny zavatra ireny aty amiko. Izay ange no naha-jentilisa ahy e! Ny ahy filazana tsotra fa tsy hiangavy anareo mihitsy aho hampiely azy! Ary sary taiza ary io no nalaina?

AZA APARITAKA

Mpanompo sampy ve Ravalomanana?

2007-11-20 @ 17:06 in Finoana

Somary nahoraka ihany koa tamin’ny faran’ny herinandro teo ny nametrahan’Atoa Ravalomanana filohampirenena Malagasy ny vato fehizoron’ny tranombakoka kasaina apetraka mifanila amin’ny  trano fiasan’ny filoham-pirenena eo Ambohitsorohitra sy amin’ny faritra manasaraka azy amin’ny trano lehibe an’ny Banky Foiben’I Madagasikara. Trano natao hanana endrika trano gasy mahazatra eto amin’ny faritr’Imerina kasaina hovitaina haingana satria mbola ho ela vao ho vita ny fanarenana tanteraka ny Rovan’i Manjakamiadana. Tsy dia ny fikasana hanangana ny trano loatra no nampahoraka azy ity fa izay natao tamin’io andro io. Fa inona avy no nataony ka hita tamin’ny haino aman-jery?


 (tohiny)

Katolika sy Fanjakana sa Katolika sy Protestanta?

2007-11-07 @ 11:15 in Finoana

Misy mandrakariva ny miezaka ny mampivily ny adihevitra ho amin-javatra hafa tsy ampoizinao mihitsy. Misy rahateo ny mahay manararaotra hampisavorovoro ny saim-bahoaka. Fa naninona no lasa adi-hevitra be indray ny resaka finoana eo amin’ny katolika sy ny protestanta eto Madagasikara?

 (tohiny)

Ny FahasahiandRainimamonjy

2007-10-22 @ 07:22 in Finoana

Iza amintsika moa no mahalala izany Rainimamonjy izany? Olona nijoro tamin’ny tarigetrany na dia niafinafina ihany aza. Niezaka namita ny heveriny fa adidy manoloana ny fanenjahana nahazo azy sy ireo mpiray fanantenana aminy izay nosamborin’ny fitondram-panjakana mijoro. Mazava loatra fa tsy zavamisy ankehitriny no tantaraiko aminareo fa tantara nisy teto amin’ity tanindrazantsika ity. Tantara tsy dia nisy mpahalala nefa tantarana Malagasy. 

 

 (tohiny)

Hetsika Jesoa Kristy ho an’I Madagasikara

2007-10-09 @ 09:03 in Finoana

Fanamarihana dieny ety amboalohany: Mihazakazaka be ny vaovao ka mila tsy ho araka, tsy maintsy hamoaka azy ireny tsikelikely ihany aho fa aza matahotra isika. Indrindra ny momba an’ilay raharaha domapub izay mafana dia mafana eto an-tanindrazana. Fa misy fandaharana avokoa moa ny zava-drehetra ka aleo aloha taperina ity vary mangatsiaka mbola tsy dia nisy namoaka ity.

 

 Efa dila sahady ny herinandro nefa saika nohadinoina ny momba ilay fihetsiketsehana lehibe nokarakarain’ny Fiangonan’I Jesoa Kristy Eto Madagasikara nampitondraina ny anarana hoe Hetsika Jesoa Kristy ho an’I Madagasikara. Efa an-taonany no nandrenesako ity hetsika ity ary ny fantatro tena nikarakara azy tamin’ny voalohany dia Atoa Rakotobe mpitandrina ao amin’ny Fjkm Zoara Ambohipo Antananarivo. Misy ihany manko izay azo lazaina amin’io hetsika natao tao amin’ny kianjaben’I Mahamasina io.

 

 Ny gazety moa dia nilaza fa io no hetsika lehibe voalohany indrindra nokarakarain’ny Fjkm Nahavoriana olona betsaka sahala amin’iny (sahabo ho 50.000 na mihoatra kely) teto Antananarivo. Ny tadidiko farany namoriana olona betsaka indrindra dia tamin’ny faha-150 taona nahamaritiora an-dRasalama tao amin’ny kianja Betongolo tamin’izany fotoana izany. Ankehitriny moa raha mijery ny kianja izay nisy fiovana betsaka ihany aho dia somary gaga ihany nanao anankampo hoe ity ve moa iny kianja iny? Sady toa nihakely no niharatsy ilay izy.

 

 Tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy nitsanga-menatra ny fiangonana raha nahafeno tsara ny kianjaben’I Mahamasina. Fantatra ihany manko ny fahakamoan’ny protestanta raha fivoriana ankalamanjana sahala amin’ireny no atao. Ny andro rahateo tena nety nanaovana akanjo mafana tamin’io fotoana io. Tsy nidanika ny masoandro fa nangatiatsiaka, tahaka ireny efa misy filazana hoe mbola ho kamo amin’izao toetr’andro tena mety izao ihany va ianao? Ny anisan’ny nampiavaka ity hetsika lehibe ity dia ny fanambarana isan-karazany aloha no nalefa voalohany indrindra vao tena niditra tamin’ny litorjia isan-karazany. Nisy fandinihana lalina ny tamin’iny, hoy aho, satria matetika amin’ny fotoana sahala amin’ireny no mampandeha mody ny olona. Ity kosa na dia efa nampiomanina hitondra sakafo maivana aza ny olona dia nalefa mialoha iny fotoana somary mahasavolaina ny maro iny.

 

 Marihina fa nanomboka tamin’ny valo maraina ny fanentanana ka tsy nifarana raha tsy ny hariva tamin’ny dimy ny fotoana. Nisy fotoanan’ny asa sy fampaherezana moa izay iandraiketan’ny mpiandry Fjkm moa ity fotoana ity izay anisan’ny mampiavaka ny protestanta malagasy araka ny fiheverako azy na dia misy aza ny protestanta tsy dia mankasitraka loatra io asan’ny Mpiandry amin’ny fifohazana io, tsy nentin’ny misionera tonga teto manko io zavatra iray io ka izay no mety tsy itiavany loatra azy.

 

 Ny tolakandro indray moa dia rindran-kira nanentanan’ny artista protestanta fanta-daza no niompanan’ny fotoana. Raha io fotsiny no nohenoina sahala amin’ireny hia mihetsiketsika mety niheveran’ny ssany azy hoe hiran’ny sekta no tena betsaka nefa misimisy ihany ny hira mahafinaritra ny sofina ny mandre azy. Na izany aza tsy misorona aho fa milaza ny lesoka ihany koa. Nandritra ny toriteny nataona evanjelistra avy any Afrika izay nilazany ny amin’ny fiangonana misy mariky ny hazo fijaliana aho no tonga saina nanao hoe fa naninona tokoa raha nasiana hazo fijaliana lehibe ity fotoana ity? Angamba efa niomanana ihany ny amin’izany nefa mety ho lafo loatra ny manapaka hazo lehibe, sady manimba ny tontolo iainana amin’ny tsy antony e! rehefa tsy misy avy amin’ny fiangonana efa vonona dia tsy maninona fa ny fivavahana no tena anton-dia ary ny hitory ny filazantsara ihany koa.

 

PS: tsaroako ho azy indray ilay lahatsoratra nosoratan’I Hery mitondra ny lohateny hoe novonoiko Imioly iny…mba marina mafy! Eiss…ie!

Fampihavanana sa fandranitana

2007-06-15 @ 08:05 in Finoana

Vao tsy ela no nanao fanambarana momba ny fandroahana mompera ny fivondronamben’ny eveka teto Madagasikara. Ankehitriny dia namoaka fanambarana indray ny filankevitra maharitry ny fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara. Fanambarana miantefa indrindra indrindra amin’ny kristiana katolika.  Ny andinin-tSoratra Masina nanankinana ny fanambarana dia izay voasoratra ao amin’ny evanjely nosoratan’ny Md Marka 10 :49 ary naompana amin’ny lohahevitra manao hoe : « Matokia, mitsangana raiso ny andraikitrao ».

 Alohan’ny filazalazana tsotra ny fanambarana dia te-hanoratra ny zavatra voarakitra ao amin’io andini-tSoratra Masina io ihany aho. Tantaran’ilay jamba mangataka eo amoron-dalana eo ampivoahana ny tanànan’i Jeriko. Nandre rodorodon’olona maro ka nahafantatra fa miaraka amin’izy ireo ny lehilahy iray antsoina hoe Jesoa avy any Nazareta. Niantsoantso avy hatrany ny lehilahy nanao hoe ry zanaky Davida ! Jesoa o miantrà ahy ! nitrerona azy hangina ny hafa fa vao maika izy niantsoantso ilay teny teo ihany. Nijanona i Jesoa ka nampiantso azy. Dia nantsoina ilay jamba sady nitenenana hoe : Matokia, miarena fa miantso anao Izy (Jesoa). Niatsambotra nanary lamba teny amin’i Jesoa ilay jamba. Dia nanontany i Jesoa hoe Inona no tianao ataoko aminao ? Dia namaly izy hoe : Mpampianatra o ! ny mba hahitako ! Dia namaly i Jesoa hoe : Mandehana ny finoanao no nahavonjy anao. Dia nanohy ny lalany i Jesoa.

 Azo tarafina avy hatrany amin’ny toe-java-misy ankehitriny io tantara kely nakan’ny filankevitra io andini-tSoratra Masina io. Antsoantson’ilay jamba na dia misy mitady hanampim-bava aza. Antsoantso mankarenin-tsofina matoa misy mitrerona azy. Nefa antsoantso mila famonjena no tena fotony. Raha ampitahaina ny teny ao amin’ny Evanjely sy ny lohahevitry ny fanambarana dia ampidirina ho antson’i Jesoa ilay teny handraisan’ny tsirairay amin’ny kristiana katolika andraikitra eo amin’ny sehatry ny fiainam-pirenena.

 Ny votoaty tadidy amin’ny fanambaran’ny filankevitra kosa dia maneho fa Apostolin’ny fihavanana ny fiangonana katolika. Tsikariny ny tsy fahampian’ny fifanatonana, ny faharavan’ny harena iombonana, ny herisetra miseho lany any amin’ny faritra ary ny tsy fitokian’ny mpitondra ny fiangonana katolika. Amin’izao vanim-potoana ankatoky ny fetim-pirenena izao dia avoitrany fa iray ny vahoaka malagasy, iray fiteny, iray tany ary iray vatsy. Ao anatin’izay firaisana izay indrindra no tokony hisian’ny fifanakalozan-kevitra. Tsy ekena ny fampisaraham-bazana, ny fananganana ho an’ny tena sy ny fanaovana ho tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Koa manentana ny kristiana katolika tsirairay hirotsaka handray anjara bebe kokoa amin’ny fiainam-pirenena sy ny fampandrosoana ny mpiara-belona ka fitaratra amin’izany i Victoire Rasoamanarivo sy ny frera Raphael Rafiringa ary atao eo ambany fahasoavan’i Masina Maria Imakole. Hatreo ny zavatra voaraiko. Ny fampandrosoana nambara moa dia ny fisahanana ny fampianarana, ny fitsaboana, ny fanampiana ny mahantra ary ny drafitra fampandrosoana isan-karazany ao amin’ny rafitra katolika. Saika adinoko ny famporisihana mba handalina bebe kokoa ny toe-java-misy ankehitriny.

 Ny hevitro manokana dia izao : Nanadino ny fampitonena ny tsirairay izy ao anatin’ny ady ambadika (tsy hita maso) izao na nanalavitra izany kokoa aza izy ireo sanatrian’izany. Nanjary hafa dia hafa ny fiantraikan’ny fanambarana teo amin’ny mpihaino tsirairay. Tsy nisy sahy nanambara ny heviny ny olona mpiady hevitra tao amin’ny karajia sy ny kidaona maraina. Samy mitsakotsako angaha aloha.

Iza no nahita "ny hafatry ny pentekosta"?

2007-05-30 @ 12:20 in Finoana

Mbola resaka pentekosta ihany na dia zavatra hafa indray aza. Efa fantatry ny mpanara-baovao tsara fa namoaka ny hafatry ny pentekosta ny filohan’ny fiangonana efatra mandrafitra ny ffkm. Tamin’ny alarobia (heriny) na alakamisy dia efa nambaran’ny gazety ambangovangony izany. Saingy iza moa no tena nahita na nahare ny votoatiny manontolo ?

 Raha vao nahatonga izany any amin’ny tonian’ny fanoratana any amin’ny fampahalalam-baovao isan-karazany ny gazety dia misintona izay azony tsoahina avy ao amin’ny hafatra. Tsy namoaka manontolo ny hafatra kosa ry zareo satria tsy nividy pejy manokana ho amin’izany i Vohipiraisana (ny foiben’ny ffpm natao ho foiben’ny ffkm vonjimaika ihany koa aloha). Izay no nampahafantarana ny vaovao fa tsy namakiana na nametrahana azy manontolo. Manaraka izany indray dia tsy novakiana tao am-piangonana nandehanako tamin’iny alahady ihany koa ilay hafatra avy amin’ny filoham-piangonana efatra mirahalahy. Tena nandrasana mihitsy tamin’ny filazan-draharahan’ny fiangonana fa niandry vasoka fotsiny. Eto Antananarivo ve dia mbola tsy naharay ny hafatra ihany koa ? gaga ihany ny tena amin’izany.

 Nanontaniana ny olom-pantatra raha naheno fa na tsy tandriny na tsy nalefa ihany koa ny tany aminy. Ny tao amin’ny fjkm Ambavahadimitafo ihany no reko fa namaky ilay hafatra. Vaka ny saina manoloana izany toe-javatra izany. Inona ny antony tsy namakiana ilay hafatra tany amin’ny fiangonana sasany ary namakiana azy kosa tany amin’ny fiangonana sasany. Nizara ve ny hevitra manoloana ilay fanambarana ? Fampiraisana no tena tanjona ka toa fisarahana no hita !

Androm-bavaka manera-tany

2007-05-29 @ 08:14 in Finoana

Efa rere tao ho ao ny momba ity teny hoe androm-bavaka manerantany ity(Global Day of prayer). Lazaina ombieny ombieny fa niainga tany Capetown ity fihetsiketsehana ity. Izany moa no lazainy ao amin’ny transformation africa ao. Raha ny marina anefa araka ny testamenta kristiana dia tany amin’ny andron’ny Apostoly mihitsy no efa nisy izany vavaka isan’andro nialoha ny tamin’ny alahady iny.

 Folo andro no niomanan’ireo mpikarakara tany amin’ny toerana samihafa (ary anisan’izany ny fiangonana loterana malagasy ao Ambatovinaky) teto an-tanàna. Nisy ny fotoam-bavaka maraina (tena maraina tokoa satria mbola mazavaratsy mihitsy) ary nisy ihany koa ny fotoana hariva samy adiny roa avy. Folo andro no nanatanterahana ny fikarakarana isam-paritra. Ny lohahevitra nobanjinina nandritra izany fotoana izany dia ny ao amin’ny 2 tantara 7 andininy faha-14 ao izay manomboka amin’ny teny hoe raha ny olona izay antsoina amin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka…

 Rehefa amin’ny filazana fa fiangonana maro no miara-misalahy amin’ity raharaha ity dia tsy miditra loatra ny fiangonana katolika. Ny somary mahagaga ahy aza noheveriko fa ny fiangonana pentekotista no tena lohalaharana amin’ity fihetsiketsehana ity. Mifanandrify amin’ny anarana pentekosta ihany manko ny anaram-piangonana. Ny teto Madagasikara anefa dia ny sasatsasany tamin’ireo lohandohan’ny fiangonana loterana ny fjkm (ary mavitrika ao amin’ny ffkm eto Antananarivo ihany koa) no tena nafana fo tamin’ny fikarakarana azy sy tamin’ny fanentanana ny mpiangona tao aminy. Azo heverina avy hatrany fa noho ny fifandraisana eo amin’ireo lohandohan’ny mpisorona sy ny mpitarika eo anivon’ny fikambanana mpiara-mamaky ny baiboly sy ny fikambanana mampiely baiboly Malagasy no singa iray niteraka izany. Ireo fikambanana roa ireo tokoa manko no mpikarakara voalohany ity hetsika ity eto Madagasikara.

 Ireo fikambanana roa ireo ihany koa no tetezana ifandraisan’ny fiangonana ara-tantara sy ny fikambanam-pivavahana kristiana vaovao tsy manava-tena. Efa nanana fahazarana amin’ny fanaon’ny mpiara-mamaky ny baiboly ihany aho ka fantatro fahatsoran’ny fomba araka izay azo atao. Mora ho an’ireo fikambanana roa tsy hain’ny maro avahana ireo ny manatona ny andaniny sy ny ankilany avy.

 Ny andron’ny pentekosta tolakandro ary dia tao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina no nanatanterahana ilay androm-bavaka maneratany anjaran’Antananarivo. Toerana tsy antonona intsony ny habetsaky  ny olona tonga tao saingy tsy nahazo ny toerana lehibebe kokoa manko. Nefa toerana sahala amin’ireny ihany no eken’ny rehetra fa tsy fiangonana lehibe izay manavahiny izay tsy mpiangona ao. Amin’izany maha androm-bavaka maneratany azy izany dia tena ny vavaka tokoa no nibahan-toerana.

 Tsy ny toriteny na ny filazan-draharaha no betsaka, ary tsy ny hira ihany koa aza fa dia ny fanandratana an’Andriamanitra sy ny fiantorahana taminy tamin’ny endrim-pivavahana rehetra. Koa taorian’ny toriteny fohifohy nalaina avy tao amin’ny Romana 14 :1 – 14 izay manambara amin’ny ankapobeny ny tsy tokony hifampihafahafana na dia samihafa fomba aza ary tsy ifampitsaratsarana foana dia nanomboka ny endrim-bavaka mety ho fantatra rehetra.

Voalohany tamin’izany ny vavaka ifamaliana izay heveriko fa mitovy avokoa amin’ireo firenena mahatratra 200 lazaina ho miara-manatontosa ity Global Day of Prayer ity fa ny teny no natao tamin’ny teny malagasy. Ny vavaka ifamaliana moa dia vavaka tononon’ny mpitarika sy valian’ny mpanatrika rehetra. Ny any amin’ny Katolika sy ny loterana ary ny anglikana no tena mahazo azy ity fa raha any amin’ny hafa dia mitovitovy karazana amin’ny famakiana ny salamo ifandimbiasan’ny mpitarika sy ny vahoaka ihany izany. Azoko lazaina fa tsy tsara dika ilay vavaka na tsy tafiditra loatra ilay fanandratana amin’ny mahagasy fa azo tsara ny tian-kambara ao anatiny. Nifandimby nitarika moa teto ny ankamaroan’ireo mpitari-pivavahana nanana solontena tonga tao.

 Efa izay dia lasa indray ny vavaka ho an’ireo sokajin-taona rehetra ka  samy nomena ny anjarany ny ankizy, ny tanora ny vehivavy ary ny lehilahy. Samy manana ny solontenany ireo sokajintaona ireo. Amin’ny ankapobeny moa rehefa tahaka ireny dia vavaka fifonana hatrany no manjaka. Ireo solontena moa dia misy ireo nanao vavaka novakiana ary misy kosa ny nivavaka tora-po. Asa fa noho ny mpanentana saiky lehilahy avokoa angaha ka mba naka toerana lavalava ny mpitarika nanana anjara ho an’ny vehivavy (Pst Rebeka izay ananana rohim-pihavanana ihany), nanao fanazavana aloha ny anao alohan’ny anaovana ny vavaka ary indroa miantoana ny nanaovany ny vavaka.

 Ary nenti-namaranana azy dia samy nivavaka avokoa ny rehetra nanatrika ka nanao faribolana kely nifamory isaky ny olona telo ka hatramin’ny olona enina teo ho eo. Efa nisy rahateo ny antom-bavaka napetraka dia ny hampazoto ny malagasy hivavaka sy hitodika amin’Andriamanitra, ny vavaka hanalana ny herin’i Satana tsy hanjaka amin’ny fon’ny olona ary ny mba handrosoan’i Madagasikara ara-toe-karena. Io lohahevitra farany io dia be ihany no tsy nankasitraka azy. Nibahana tao an-tsain’ny maro angaha ny teny hoe ny fivavahana tsy natao ho filan-karena ka tsy nisy loatra ny nivavaka ho amin’izany, ny ananan’ny malagasy fiadanana sy fahasambarana tsy voatery ho amin’ny alalan’ny vola no nihoraran’ny olona kokoa. Tsapa manko izany firoanan’ny nanatrika izany rehefa nomena ny fitenenana ny solombavam-bahoaka tonga teo niteny hoe tsy ilaina loatra fandrosoana tsy misy fanahy sy anjakan’ny faharatsiana ka nitehaka avokoa izy ireo (talohan’izay anefa dia tsy nisy tehaka loatra). 

Fehiny, tena ireo olona vontom-pinoana tokoa no nanatrika tao raha vavaka no nanjaka nefa dia roa ora sy sasany no nanaovana azy. Tsy nisy vidim-pidirana tahaka ny hitako tany amin’ny firenena sasany ny teto Madagasikara sady tsy hanisy vidim-pidirana mihitsy. Lesoka ihany koa ny nanadinoana mba hisian’ny solontenan’ny vahiny tsy mahazo loatra ny teny malagasy izay maromaro ihany ny nanatrika tao hanana anajara vavaka ihany koa. Eny fa na teny anglisy aza no nanaovany izany inona moa no tokony ho olana ? Nisy Japoney tonga koa anie tao e ! Amin'ny 11 mey 2008 indray izany ny androm-bavaka manerantany manaraka.

Ny fanambaran'ny evekan'i Madagasikara

2007-05-22 @ 13:28 in Finoana

Ny mpanara-baovao finoana indrindra indrindra dia mahafantatra ny nametrahana amin’ny fomba manetriketrika ny evekan’i Miarinarivo tamin’ny alahady teo. Amin’ireny fotoana ireny moa dia tonga manatrika eo avokoa ny eveka namany manerana an’i Madagasikara. Efa nampoizin’ny maro fa tsy maintsy hisy ny fivoriana manokana hataon’ireo eveka ireo indrindra fa ao anatin’izao toe-draharaha mafampana izao. Dia nivory tokoa ny fivondronamben’ny eveka teto Madagasikara ny tontolo andron’ny alatsinainy 21 mey teo.

 Niandry ny fehin’izany aho fa androany maraina no nandeha tao amin’ny radio don bosco izany. Tsy tratra anefa tamin’io fotoana io noho ny zavatra mbola nanahirana ka ny atoandro aho vao nandre azy. Tsy nandray naoty anefa aho ka izay tadidiko ihany no averiko etoana. Noho izany dia marihiko etoana fa mety ho tsy feno izay soratako etoana fa izay nanaitra ahy ihany no soratako.

 Voalohany : Voaporofo izao tamin’ny fitsapana ny hevi-bahoaka farany teo ny tsy fahavitrihan’ny olona nanefa ny adidiny. Nirotoroto ny fanjakana nefa ny olona tsy mahalala akory izay votoatim-panovana na dia niezahana nohazavaina aza izany. Mbola anaty fahasahiranana ny olona moa ny rivodoza sy ny loza voajanahary hafa mbola namely ka izay hohaniny sy ialofany ihany no nahamay ny olona. Tsy nataony ho zavadehibe ny referandaoma.

 Faharoa : Tsy ankasitrahana ny fampiasana ny herisetra sy ny fanaovana amboletra na avy amin’iza na avy amin’iza. Tsy vahaolana velively tsy akory izany manoloana ny delestazy sy ny olana hafa mampisavorovoro ny mpianatra sy ny any amin’ny faritra. Tokony ho efa notsinjovina mialoha ny hamahana ny olana fa tsy avela hihatra amin’ny olona vao ikaroham-bahaolana.

 Manaraka : Manameloka ihany koa ny fandranitana adim-poko izay mihamahazo vahana amin’izao fotoana izao. Tsy vahaolana amin’ny mianjady amin’ny mponina ihany koa io.

 Tohiny : Momba ny raharahan’ny misionera kosa. Nantsoina ny misionera hitory ny evanjely amin’ny olona rehetra. Ilaina ny fahafantarana ny fiaimpiainan’ireo itoriana ny evanjely ho fampivoarana azy rahateo. Koa raha misy ny zavatra tsy mety, mahaporitra na fanaporetana sy fanitsakitsahana ny zon’ny madinika dia adidin’ny (tsy maintsy miteny ny )misionera ny miteny na malagasy izy na vahiny. Ao anatin’ny lalam-pitoriana rahateo izany ary ny fiangonana katolika dia tsy maintsy eo ankilan’ny madinika mandrakariva hiaro ny zony tsy ho voahosihosy.

 Fahadimy : Momba ny raharaha Sylvain Urfer,sj kosa indray dia heverin’ny katolika ho fanalam-baraka azy ireny toe-javatra niseho ireny. Tsy azo natao ve ny nifampidinika mialoha tamin’ny ambaratongam-pitondrana katolika rehetra mialoha ny nandroahana azy ? Toy ny tsy fanajana ny zon’olombelona ihany koa iny fandroahana iny eo amin’ny fiangonana katolika (tsarovy fa ny fivondronam-ben’ny eveka mihitsy no misolo tena ny fiangonana sy hany afaka miteny amin’ny anaran’ny fiangonana eo amin’ny firenena misy azy araka ny fahazoako azy).

 Ary fahaenina : Momba ny fiaraha-miasa eo amin’ny fiangonana katolika sy ny fanjakana kosa indray dia vonona amin’izany ny fiangonana katolika. Saingy maniry indrindra ny hampiharana azy tokoa fa toa mbola resaka fotsiny ilay izy hatramin’ny androany. Ao anatin’ity fanambarana ity anefa dia toy ny mametraka ihany koa ny fiangonana katolika hahazo ny fanazavana momba ny nandroahana ny mompera vao hiditra amin’izany. Izay ny fahazoako azy. Tatitra ihany ity nataoko ity saingy tsy ofisialy. Ho hitan’ny be sy ny maro ihany ny votoaty ofisialy satria mino aho fa io no ho lohatenin’ny gazety rahampitso rehetra. Tsy namoaka ity fanambarana ity ny radio sy ny televizionam-panjakana hatramin’ny atoandro teo. Asa ny rahariva…(tsy misy ny fomba fijeriko mihitsy io fanambarana io)

Maninona moa raha voaroaka?

2007-05-12 @ 12:32 in Finoana

Mbola resaka Sylvain Urfer, sj ihany ity fanontaniana mety hahatezitra ny maro ity. Nandalo izay ny fihetseham-po. Fantatsika fa tsy namaly ny avy any amin’ny fitondram-panjakana. Misy moa miteny hoe zon’ny fanjakana ny tsy mamaly izay antony tahaka ny tsy amalian’ny Frantsay ihany koa ny antom-pandavana fangatahana miditra any Frantsa. Fiarovana ny tenany no ataony. Dia mihevitra ihany koa ny fitondram-panjakana fa miaro ny tenany ihany koa izy. Marihina moa fa efa nosoratako tao amin’ny lahatsoratra talohan’ity ny antony efa voasoratra nomena ny gazety « Ny vaovaontsika ».

 Dia lasa ihany ny saina na dia izany aza. Sarotra ny handresy lahatra amin’ny filazana tsotra hoe fanohintohinana ny filaminam-bahoaka. Tokony holazaina mazava tsara manko ilay karazana fanohintohinam-bahoaka fa tsy atao manajavozavo be sahala amin’izany. Nefa raha tonga tokoa moa ilay fanazavana ary mipetrapetraka tokoa. Dia iza no manana ny fahafaham-baraka kokoa ? saingy eritreritra ihany manko no soratana ankehitriny. Mba te-hitazona ny antony ho azy ny mpitondra tsy hanala baraka olona ? ny fandroahana azy tampotampoka dia efa ao anatin’ny fanetrena ny hajany ihany. Loza kokoa aza fa tena ao anatin’ny mampafana ny toe-draharaha eto antoerana ankatok’ity andro malazan’ny 13 mey ity no nandroahana azy. Efa olana ny amin’ny delestazy dia mbola ho olana ihany koa ny fifandraisana eo amin’ny mpira-belona sy ny mpitondra fanjakana.

 Raha amin’ny fomba fijery tsotra dia ambara fa tsy mahafehy ny fitondrana intsony ireo eo amin’ny toerany. Saingy izao manko : tsy tena mazava ny antony handroahana azy hatramin’izao. Raha teratany Malagasy ny lehilahy dia efa notazonina amponja ihany koa izy izay. Teratany vahiny izy ka dia fandrohana ihany no natao taminy. Fa izao ihany koa efa nisy mpitondra fivavahana katolika anie nogadraina tamin’ny andron’ny Amiraly Didier Ratsiraka ( Mompera Jean Noel nitondra an’Ambatonilita) fa toa tsy nandrenensam-peo loatra ny rafitra katolika raha ny fitadidiako azy. Ny antony nanagadrana io mpitondra fivavahana io dia hoe fikasana handatsa-baratra ny filoha. Tsy azo natao tokoa angaha ny naneho fahatezerana ny mpitondra tamin’izany fotoana izany. Ankehitriny dia fandroahana no misy fa tena mavaivay ny toe-draharaha.

 Teratany frantsay efa nipetraka maharitra teto Madagasikara ny lehilahy. Dia mamerina ny filazana ireo fandroahana ireo teratany vahiny efatra tao anatin’ny fotoana nitondran-dRavalomanana ny haino aman-jery. Teratany Frantsay ny telo ary hafa kosa ny iray saingy io hafa io dia afa-niverina teto Madagasikara ihany (Jean Marc Koumba). Ireo teratany frantsay kosa dia mbola tsy tafaverina aloha. Dia lasa ny saina, sao dia ny fitsabahana be loatra ny raharaha eto Madagasikara ny tena antony ? sao dia mbola mihevitra ry zareo fa afa-miteny izay tiany tenenina nefa vahiny monina ihany. Mety hilefitra tokoa ve ny fitondrana frantsay raha misy mpitondra fivavahana malagasy (ary misy mpitondra fivavahana malagasy tokoa any Frantsa) mitsikera mivantana ny mpitondra any an-toerana ? Tsy monina any moa ny tena ka tsy hahalala mihitsy izay tena valinteny marina. Isika Malagasy rahateo mitandrina ihany amin’ny teny izay tokony hotenenina. 

Voaroaka ny RP Sylvain Urfer, sj

2007-05-11 @ 17:18 in Finoana

Kay kay kay kay…vay vay vay vay an-kandrina sady maharary no mahamenatra. Fa loza inona ity ? ny fihavanana efa ratsiratsy eo amin’ny fiaraham-monina katolika sy ny fanjakana ity mbola nampiana fandroahana mompera indray sady izay indray momera Frantsay. Raha ny vahoaka kristiana amin’ny ankapobeny ary ny katolika indrindra indrindra dia farafaharatsiny efa nandre ny anarany avokoa.

 Nalaza teo amin’ny fampianarana na ankapobeny ho an’ny tanora(Saint-Michel sy Saint-Antoine) na eo amin’ny sehatra ambony ihany koa ka mampianatra politika sy filozofia ary teolojia (Institut Catholique de Madagascar ?). Tsy zoviana ihany koa teo amin’ny fanoratana ka namoaka boky roa tena fantatry ny mpamaky azy « tantely amam-bahona » (Le doux et l’amer) sy L’espoir et la doute izay miresaka ny tontolo ao Anosibe Antananarivo indrindra indrindra ary voalaza koa moa tonian’ny famoaham-boky Justice et Paix izany hoe tena ao amin’ny angadiny tsara raha ny resaka famoaham-boky.

 Eo anilan’izany dia mitondra ny Paroasy ao Anosibe ihany koa ny tenany. Faritra azo lazaina ho nanana ny hafanany tamin’ny fotoan’androny. Singa iray no hosinganiko dia ny nanoherany mavaivay ny olona nipetraka nanoloana ny arabe sy tao anaty tsena tamin’ny andro nanamboarana ny lalana sy ny tsenan’Anosibe. Tsy nekeny mihitsy ny fanalana tsotra ireo olona tao raha tsy mahazo antoka tsara fa ho tafaverina tamin’ny toerany avokoa ireo olona nipetraka sy nivarotra teo amin’ny toerana nisy azy tao Anosibe tao.

 Na izany aza dia henjam-pitondrana teo amin’ny sahany ihany koa ny tenany. Tsy nekeny hijanona tao ampiangonana fa asainy miverina misolo akanjo ireo tovovavy indrindra indrindra ka somary fohy sy zipony na manara-tena loatra ny akanjony. Teneniny ampahibemaso hody mihitsy raha mbola midrikina hiditra ampiangonana ihany amin’ny fitafy tsy maotona. Indray aho (sa indroa moa ?) no nivavaka tao amin’io fiangonana io (f’angaha moa aho katolika indray ? Tsia Loterana aho ka fa ny fanasana amin’ny batemy sy ny karazany ve dia ho lavina ?) ka niezaka nihaino ny toriteniny. Ny azoko ambara dia tsy naheno tsara aho ka tsy haiko na ny fanamafisam-peo no somary ambany na izy no miteny mora na izaho no lalodalovana rahateo.

 Ankoatra izay dia mpikambana mavitrika ao amin’ny Sehatra Fanarahamaso ny Fifidianana izy. Mety ho antony iray namelezana azy io satria izy irery no tsy mizaka zom-pirenena malagasy amin’ireo rehetra mpikambana ao. Toy ny heverin’ny ao amin’ny fitondrana ho mitsabaka ny raharaham-pirenen’ny tsy azy manko izy manambara tsy mihambatra ny heviny na dia mihevi-tena ho toy ny malagasy aza ny tenany. Izay lazainy rahateo tsy natao hampifalifaly ny mpitondra rahateo.

 Tao ho ao moa aho somary teritery ny fotoako nefa miezaka hatrany aho ny nikaroka araka izay azo natao. Raha mitady ny antony avy amin’ny fanjakana moa dia tsy maintsy avy amin’ny haino aman-jery akaiky azy ihany no hihainoana azy. Tsy nandre mihitsy aho ny halina aloha afa-tsy ny tao amin’ny Matv. Rehefa tonga ny maraina dia ny vaovaontsika gazety teny malagasin’ny le quotidien no novakiako ka nahitako fa fanapahan-kevitra laharana 069/mininter/sg/die/selr no nanafoana (fa tsy hoe tsy nanampy intsony) ny fahazoan-dalana hipetraka maharitra eto Madagasikara. Voalaza ao ihany koa fa fanohintohinana ny filaminam-bahoaka no ahiana hotanterahiny rehefa narahi-maso izy.

 Marihina moa ho an’izay mbola mety tsy hahalala fa tsy maintsy misy mpitsikilo avokoa ny ankamaroan’ny fiangonana indrindra ireo fiangonan-dehibe rehetra na aiza io na aiza rehefa eto Madagasikara. Ny karazam-piangonana rehetra ihany koa dia voara-maso avokoa na lehibe izy na madinika. Noho izany ny toriteny sy ny teny rehetra ao dia efa araky ny mpitondra fanjakana avokoa. Tsy afaka mitompo-teny aho saingy azo heverina fa misy teny mety ho maherihery nataony ampahibemaso matoa haingana dia haingana toy izao ny fanapahan-kevitra

"AlHikmat" ity!

2007-04-20 @ 09:35 in Finoana

Ary izay nomena ny fahendrena dia tena zavatsoa tokoa no nomena azy. Et celui a qui la sagesse est donnée, vraiment c’est un bien immense qui lui est donné. Ny teny fototra (loharano) dia teny arabo fa ireo teny roa ireo dia samy dikanteny avokoa. Izany andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Korany Masina amin’ny Silamo izany no hanombohako ity lahatsoratra ity. « Ny Fahendrena » no dikan’ny teny « AlHikmat », koa raha misy miteny aminao hoe ilay « AlHikmat » ity dia mety hoe ilay « Ny Fahendrena » ity no dikany fa aza mora sendaotra loatra aloha.

Io ary no anaran’ny gazety islamika misahana ny kolontsaina sy sosialy voalohany eto Madagasikara na io izany no gazetin’ny Silamo voalohany mivoaka sy ho an’ny eto Madagasikara. Mitandrina be aho manoratra azy satria tahaka ny tsy mbola sahiny ny manoratra hoe gazetin’ny Silamo Malagasy voalohany. Zavatra maneran-tany manko izany hoe Silamo izany fa tsy voafaritra amin’ny toerana iray fotsiny ihany. Araka ny fahalalako azy ihany koa dia mbola any ivelany no atonta ity gazety mivoaka isaky ny roa volana ity. Miara-dalana sy vondrona iray amin’ny Radio Feon’ny Fahendrena (Radio Voix de la Sagesse) io gazety io, ary mbola misy gazety-boky ihany koa aza miaraka aminy, izay manana ny foibeny etsy amin’ny Batiment 3-F5 etsy amin’ny Village des Jeux (ary tsy nanana anarana teny malagasy ihany koa ity toerana ity an !) etsy Ankorondrano.

 Ny nahitako azy voalohany.

 Raha nandeha nivezivezy teny an-tanàna aho ny alatsinainy tolakandro teo nijerijery ny zavamisy sy izay mety tsy ho tsikaritry ny olona dia gaga nahita ity gazety iray nihantona teo amin’ny mpivarotra ampitan’ny fiantsonan’ny fiara ho any Mahitsy etsy Ankazomanga. Tonga dia ilay soratra arabo aloha no nanaitra ahy dia niteny tany anatiko any aho hoe inona koa ity gazety arabo diso toerana aty Madagasikara ity. Noheveriko ho gazety Ejipsiana ilay izy aloha satria nisy lohateny (frantsay) hoe ny finoana nisy tany Egypta fahizany. Vao nijery ny sary teo ambany anefa aho dia ny sarin-dRavalomanana sy Didier Drogba teo Mahamasina no hitako. Hay gazety gasy ity izany, hoy aho anankampo. Volana marsa sy avrily 2007 ny daty nivoahany ary efa laharana 11 sahady ity hitako ity. Aleo mividy iray handinihana azy any an-trano, hoy aho.

 Rehefa tonga tany an-trano aho dia hitako fa manana ny toerany ny resaka finoana sy fivavahana. Tafiditra ihany koa ary tsy latsa-danja ny resaka fanatanjahan-tena. Eny atsisitsisiny eny ny lalaon-tsaina, ny hatsikana, ny ohabolana na andeha antsoina hoe voam-pahendrena. Dia somary nahaliana ahy ihany koa ny fanazavana hampifandray ny tontolo ao anaty sy ny tontolo ivelany indrindra rehefa mivavaka…izany hoe somary tsipalotro kely ny mahatonga ireo Silamo tsy ho menatra mihitsy mivavaka na aiza na aiza misy azy rehefa tonga ny ora fanaovana izany. Fanararaotra hahalalana ny tontolon’ny Silamo eto madagasikara ity ka dia nivonona avy hatrany aho hitady ny hividy ireo gazety folo talohany hahitana kokoa izay tena votoatin’ny gazety hatramin’izay.

 Ny laharana hafa talohany

 Ny ampitso ihany dia notadiaviko ny foiben-toerana misy ny famoahana ny gazety ary hitako tokoa. Any amin’ny farany ambony varavarana faha-8 no misy azy. Vao andondona aho dia hoy ilay mpandoko teo amin’ny ilany hoe midira avy hatrany fa aza mandondona intsony. Hay birao be dia be no ao anatiny ao. Dia niandry izay handray ahy aho. Hividy gazety rahateo no anton-diako. Izay fanombohana izay ihany no nosoratako tamin’izaho tao fandrao hihanahana eo ambaravarana fotsiny izay hafa mety ho liana. Tsy azoko avokoa izy folo notadiaviko fa ny dimy ihany sisa no niaingan’ny fanadihadiako.

 Toy izao avokoa ny ambangovangon’ny zavatra hitako tamin’ireo gazety rehefa fintinina. Ny voalohan’ny pejy aloha no ahitana ny lohatenin’ny lahatsoratra rehetra mety ho hita ao anatiny sy sary maro, toy ny gazety rehetra fahita aty Madagasikara ihany izany. Ny tao anatiny amin’izay no nahitana zavatra samihafa tahaka ny Voam-pahendrena efa nosoratako tery ambony, ny vavaka, ny tononkalo, ny lalao ary hatsikana vitsivitsy saiky tamin’ny teny frantsay avokoa. Fa ny tena betsaka kosa sady lehibe tao aminy dia ireo lahatsoratra momba ny vehivavy sy ny zony, ny mahasamihafa ny lehilahy sy ny vehivavy, ny fifandraisana eo amin’ny mpivady na ny fifandraisana ao an-tokantrano, psikolojia avy amin’ny fihetsiky ny zanaka na ny fahalalana ny ankizy. Ao ihany koa ny fikarakarana ny vatana indrindra amin’ny vehivavy. Ny fampianarana momba ny ordinatera ary ny torohevitra momba ny fandraharahana.

 Tsy ambakan’izany ihany koa ny fampianarana silamo, ny fombany sy ireo tantara kely be dia be mampieritreritra ary mihevitra aho fa na any amin’ny fiangonana kristiana aza dia mety hanaovana azy tsara mihitsy.  Ataoko fa izay mpikaroka ny zavatra tsy mahazatra azy dia hahita fahafinaretana ihany eo ampamakiana ny gazety indrindra fa tsy mitsara mialoha hoe gazety silamo no vakiana.

 Voam-pahendrena vitsivitsy.

 Tsy tana ny tanako fa manoratra voam-pahendrena vitsivitsy ho anareo ihany koa :

  •  On peut approuver un juste conseil, mais l’essentiel est de se corriger. Na afaka atao ny miaiky ny fahatsaran’ny torohevitra iray fa ny tena zava-dehibe dia ny manitsy ny tena.
  •  Le souvenir du bonheur n’est plus bonheur, le souvenir de la douleur est de la douleur encore. Ny fahatsiarovana ny fahasambarana efa tsy fahasambarana intsony, ny fahatsiarovana ny ratram-po kosa dia mbola ratram-po tsapa hatrany. Lord George Gordon Byron. 
  • Il se pourrait que l’echec, comme l’obscurité de la nuit, m’oblige à m’arreter. Mais l’aube reviendra, le soleil se remetta à briller et je repartirai. Mety ho nandamoka ny zavatra nataoko ka voatery aho nitsahatra (nijanona) tahaka ireny ao anatin’ny aizina mikitroky ny alina ireny. Fa mbola ho avy ny maraina, hiposaka indray ny masoandro ary dia hanohy ny diako indray aho.
  •  Les hommes se distinguent par ce qu’ils montrent et se ressemble par ce qu’ils cachent. Samy miavaka amin’izay asehony ny lehilahy fa mitovy amin’izay afeniny kosa. Paul Valery.
  •  La vie est faite d’illusions. Parmi ces illusions certains réussisent. Ce sont elles qui constituent la réalité. Feno alonalona (na/sy revirevy) ny fiainana. Amin’ireny revirevy ireny misy ny tanteraka. Ireny no manorina ny zavamisy. Jacques Audiberti.

Fiangonana ho Mosquée?

2007-04-16 @ 10:23 in Finoana

Tsy aiza tsy aiza ity fa eto Antananarivo renivohitry Madagasikara ihany. Tsy angano na habobo fa mbola eo ampanorenana aloha. Efa rentsika ihany angamba fa hanorina fiangonana ny Fikambanana Apokalypsy eto Madagasikara. Eo Vinany Itaosy ho hanorenana azy raha sitrapon’Andriamanitra. Misy zavatra vitsivitsy nanaitra ahy nahatonga ahy hanoratra etoana.

Voalohany, ny endriny ankapobeny : raha jerena tampoka dia Mosquée no hitanao saingy ny tafo no ranombolamena tahaka ny Mosquée d’Al Aqsa ao Jerosalema. Andeha atao hoe mitovy endrika amin’ny fiangonana lehibe an’ny Ortodoksa ihany koa saingy be varavarankely be velarana toy ny fahita eny amin’ny Toeram-pivavahan’ny Silamo hitako eny Ankorondrano mihitsy. Tsy maintsy ho taitra ny tena raha mahita izany ka te-hijery ny zavatra manaraka ihany koa. Efa malaza fa ho lehibe fahatelo manerantany no eritreretin-dry zareo ary ho lehibe indrindra eto Afrika moa izy io. Mahatratra 135m ny halavany sy 42m ny hahavony ary eritreretina hahatafiditra mpivavaka 15.000 eo ho eo izy io, ny sakany moa maherin’ny 40m ihany koa saingy tsy mahatsizoro manko ilay izy fa miendrika roazodafy hafahafa izay ka asa izay ho fivoakany rehefa tena izy.

Misy rihana roa ity trano eritreretina haorina ity ary ny any ambony indrindra dia eritreretina hisy faritra ho fiantsonana angidimby anankiroa (Héliport). Manaraka izany, eritreretina ho parking na fiantsonan’ny fiarakodia mihoatra ny telonjato ny farany ambany. Tsy mikiraro ny miditra ao fa misy efitra ho fitoeran-kiraro fotsiny…ho heno ao izay manam-pofon-tongotra androany…fa hisy toeram-panasan-tongotra eo ampidirana. Io manko no nahataitra ahy faharoa, dia toy izany indrindra ny any amin’ny Mosquée ry zareo a ! saingy noho ny hevitra hafa izay mifandraika amin’izany no anton’ny tsy ampidirana kiraro io fiangonana io : Tsy dabilio no ipetrahana ao fa lafika mihaja, moquette.  Raha tombanana fotsiny amin’izao dia saiky ny fomba any amin’ny toeram-pivavahana Silamo no ho tsikaritrao ao anatin’izany fitantarana izany (fa maninona koa ary raha mba asiana sary ?). Saingy efa fantatsika ihany fa lafo dia lafo ny vidin’ny hazoala ankehitriny sady raha dabilio sahazo olona 15.000 izany tena ho goavana be ny fandaniana. Ho sahirana ny olona hitorevaka nefa atao ahoana moa ? Marihina eto ampamaranako ny lahatsoratra fa tsy mifangaro ny lahy sy ny vavy rehefa mivavaka ao amin’ity antokom-pinoana ity.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2024 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox