Mampahatsiahy an'i Keliberano

2008-01-31 @ 10:23 in Andavanandro

Ho an'izay tsy mahalala ny tantaran'i Keliberano na nampalaza an'i Keliberano dia fintiniko vetivety aloha ny zava-nitranga. Tany amin'ny faritra atsimo misy ny fari-piadidian'i Fianarantsoa sy Toliary iny nandritra ny repoblika faharoa dia nisy famonoana mahatsiravina mpandeha iray taxi-brousse (ampolony no dikan'izany) teo amin'io faritra Keliberano io. Manaraka ny lalam-pirenena fahafito iny izany. Tsy dia fantatra loatra ny antom-panafihana tamin'ny voalohany fa mpanao dabokandro iray no niteny fa izy no tena notadiavina sy nokendrena tamin'io fanafihana io. Vao avy nahalafo omby maromaro manko izy ka nikasa handray ilay taxi-brousse. Teo ampiaingana anefa ranamana mpanao dabokandro dia toa nahatsikaritra zavatra hafahafa teny amin'ny mpitandro ny filaminana teny an-tsenan'omby (mila mijery tantara indray mandeha angamba aho fa na Ambalavao ilay tsenan'omby na Ihosy). Noheveriny fa izy no noresahin'ny zandary tamina Talkie Walkie hoe lasa (tamina taxi-brousse iray). Niala tamin'io taxi-brousse io izy ary niandry fiara hafa indray handehanana.

Akory ny hagagany rehefa nandalo an'io faritra Keliberano io izy fa feno diam-bala ny taxi-brousse nialany ary maty voatifitra avokoa ny mpandeha rehetra tao anatiny. Rehefa notopazana ny tao anatiny dia voasavasava avokoa ny entan'ny mpandeha ary hita hoe nojerena avokoa ny tavan'ireo mpandeha notifirina ireo. Afa-doza ranamana saingy ny hafa no nidiran-doza. Noheverin'ny olona tamin'izany fotoana izany, satria tsy reko ny valim-panadihadiana tamin'izay nanao io heloka bevava io, fa "zandary" angamba no nanao ny sakana ary nijanona soa aman-tsara ny fiara. Ny fijanonan'ny fiara tamin'ny sisiny manko no nieritreretana izany. Vao nijanona dia nitaky ny hijery olona tao ireo "zandary". Vao tafiditra ry zareo dia norarafany notifirina avokoa na mpandeha na mpamily. Ny olona lazondazony rehetra ataoko fa mahatadidy ity raharaha ity. Ny noahiahian'ny be sy ny maro tamin'izany fotoana izany moa dia olona ambony manana anjara toerana tamin'ny fitondrana ihany.

Niverina tao an-tsaina indray izany rehefa nandre sy nahita ny fanafihana nitranga teny Ampangabe (vavahady fidirana an'Analamanga) aho. Saiky fomba fitafy miaramila na mpitandro ny filaminana sy fitaovam-piadiana voatokana no nentin-dry zalahy. Saingy hafa indray ny paika: fiara indray no nanaraka azy. Ny zavatra tsy itovian'ny tantara dia tsy naripaky ny ny 'jiolahy' ny mpandeha. Ny nanaovany azy kosa dia toy ny efa matihanina mihitsy ry zalahy. Ny akanjo sy ny fitaovana moa dia an'ny na mifanakaiky amin'ny an'ny mpitandro ny filaminana ihany.

Efa nomarihan'ny mpamily moa fa tsy azo atao ny mandeha irery amin'ity lalam-pirenena ity fa tsy maintsy mifampiandry mba hanao tohivakana. Fanaon'ny mpandroba manko ny mifandray amin'ny alalan'ny finday amin'ny faritra manodidina azy hahalalany raha misy fiara mety handalo eo amin'ny toerana hanaovana ny fanafihana ao anatin'ny telo minitra eo ho eo. Dia tratra indray izany aloha ny mpanao dabok'andro tamin'ity indray mitoraka ity. Ary manana sampam-pitsikikovana matanjaka mihitsy ny jiolahy raha tsy hoe ry zalahy no manana namana ao amin'ny sampam-pitsikilovana nefa sanatriavina anie izany.

Sao dia Ambohilavatandroka no izy?

2008-01-30 @ 08:52 in Andavanandro

 

Mbola tsy naheno anaran-tanàna Ambohitandroka aho fa ireto sary vitsivitsy ireto no anehoako aminareo hoe sao dia Ambohilavatandroka ary no anarana mety amin'ity tanàna asehoko eto ity. Mba Ambohitandroka ihany ny tanan-dehibe rehetra manerantany fa mba miavaka kosa ity tanànan'ny tanora amin'ny ankapobeny nefa tsy antsoina hoe Ambohijatovo ity na dia izany aza.

 

Ireo ny sary asehoko anareo: vinanio aloha hoe tokony ho sarina inona moa ireo manaloka ireo. Toa bararata toa zozoro nefa voatr'olombelona ireo fa tsy vita nanahary ry zareo a! Ireny tandroka maniry ohatry ny anana mameno ny tanàn-dehibe mankany amin'ny fandrosoana ireny anie no lazaiko anareo e! sa mbola tsy fantatra ihany?

 

Faritra ambony atsinanan'Antananarivo io asehoko anareo io ary mananontanona ny haavon'i Manjakamiadana aza io vohitra io na dia somary ivaiva kokoa aza. Izay mipetraka eny mahalala avy hatrany fa Ambohipo no lazaiko. Hitanareo ve ny mampiavaka io tanàna io indrindra fa eny amin'ny "cité" ary any amin'ny mpianatra? Ny halavan'ny tandroka no tiako lazaina anareo.

 

Takona an'Ambohimitsimbina manko ny ilany atsinanana amin'io vohitra io nefa mba te-hijery fahitalavitra ny sarambaben'ny olona sy ny mpianatra dia akarina avo dia avo ny tandro-pandraisan-dahatsary. Dia lazao fa diso koa ny teny gasiko! moa tsy tandroka no dikan'ny "antenne"?

 

Raha Zavaboary hatrany no hisintonana ny mpizahatany haketo Madagasikara, ny tandroka voatr'olombelona kosa angamba no azon'Ambohipo hisintonana mpizahatany na avy eto an-toerana na avy any ivelany. Ny mahavohitry ny fo an'Ambohipo aloha tsy fantatro loatra fa ny halavan'ny tandroka no hitako. Mba mananontanona ihany koa ny eny amin'ny sitey AnkatsoI sy AnkatsoII fa Ambohipo miavaka mihitsy e! Mampahatsiahy ny radio Netherland (oadray izany fahadisoan-tsoratra!) ery Langaina ireo tandroka maro ireo.

Fanadinam-panjakana: Nofoanana dia haverina!

2008-01-29 @ 07:17 in Ankapobeny

Itony vaovao itony dia nanana ny lazany tamin'ny fotoan'andro nandehanan'ny karajia. Na dia mba miezaka ny hampahalala ny antsipiram-baovao aza ny mpihaino any amin'ny kidaona maraina, hany sisa azo iresahana dia tsy hahenoana valiny sady tsy misy manampy rahateo, resaka kivalavala vianinany ihany no tena renao any.

Tany ho any amin'ny tapak'ity volana ity no nahenoana fa naverina ny fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana any amin'ny minisiteran'ny tetibola (Sampandraharaha ankapobeny momba ny hetra). Ny antony tsotra nolazaina dia nisy zavatra tsy ara-dalàna. Raha nomanina manko ity fanadinana ity dia nolazaina fa hatao mangarahara ity fanadinam-panjakana notontosaina tamin'ny tapaky ny volana desambra ity. Hanara-maso akaiky ny fanadinana manokana ny Bianco sy ny resaka hafa toy izany. Dia io fa haverina hoe.

Lasa amin'izay ny tombatomban'ny olona hoe nisy nahita "sujet" ve? sa nisy inona tokoa? Raha mbola eto ampiakarakarana azy talohan'ny tapaky ny volana desambra manko dia nolazaina fa tsy hisy hahita mialoha ny laza adina izany. Mipetraka anaty kapila mangirana misy fanalahidy manko araka ny filazany ka ora iray mialoha ny fanombohan'ny fitsapana vao atonta printy ny laza adina. Ny fanalahidy moa dia ny ao amin'ny foibe mihitsy no mamoaka azy vao mety misokatra.

Dia tsahotsaho sisa, satria tsy hamoaka fanavazavana amin'ny antsipiriany mihitsy ny ao amin'ny fitondrana na dia notadiavin'ny maro aza izany, no nahenoana hoe nisy nampifamadibadika hoe ny anarana sy ny taratasy nosoratan'ny mpiadina nokasaina hahaafaka ny "namana" sasany kanjo tratra izany kinasa izany. Dia izay hoe no antony!!! tsy ofisialy. Manana namana mpamaham-bolongana ao amin'ny minisiteran'ny vola sy ny tetibola isika saingy tsy hanery azy hamoaka ny fantany sady mety tsy ho hitany rahateo izao lahatsoratro izao.

Tena tia

2008-01-28 @ 14:35 in Andavanandro

Ianareo angaha ahoana? noho ny fiatoan'ny karajia dia tsy manana loharanom-baovao loatra intsony aho. Iny manko no tena mba nanarahako ny vaovao eto Madagasikara indrindra ireo tsy mba lazain'ny haino aman-jery loatra. Marina fa manana vaovao ihany aho saingy tena nilefitra dia nilefitra ny fahazotoana.

Na izany aza dia mba hanoratra ihany aho sao ataonareo hoe dia lasa aiza loatra. Eto ihany fa tena kamo e! Fa na dia tsy hitako manontolo aza dia nahenoana akony ihany. Fandaharana mandalo nokarakarain'ny mpanatontosa ny fandaharana randrana mbs ny fandaharana "tena tia", fandaharana hanaovana fifaninan-kira ho an'olon-droa. Ny loka voalohany dia tapakila maneha mankany Paris ho an'olon-droa. Ny hira atao dia tsy maintsy hiram-pitiavana hirain'olon-droa.

Misy dingana maromaro ao fa ny dingana fanombohana moa dia tsarain'ny mpanakanto telo ahitana an'i Samoela (hatramin'ny oviana moa no lasa akaiky ny groupe tiko i Samoela izay tsy nandeha tamin'ny mbs mihitsy ny hirany tany aloha tany?), Rija Ramanantoanina ary Dah'mama. Any amin'ny atsasa-pamaranana vao miditra mandray anjara fanohanana ny mpijery sy ny mpihaino. 25% no anjaran'ny mpihaino amin'io atsasa-pamaranana io ary 35% amin'ny famaranana. Ny fitsaran'ny mpanakanto voalaza teo izany no tena iankinan'ny naoty amin'io fotoana io.

Entina miatrika ny fetin'ny mpifankatia moa ny anton'io fandaharana "tena tia" io. Dia izay aloha fa mba nahita hosoratana aza.

Antaninarenina: Fa ahoana io zaridaina io?

2008-01-26 @ 08:14 in Andavanandro

 

Ny vahiny ihany no mety hahatsikaritra, na ny elaela tsy niserana io zaridaina ao Antaninarenina io. Aleo aloha lazaina fa ny zaridaina lazaiko eto dia ilay eo amin'ny kianjan'ny fahaleovantena. Loza fa mety ho betsaka tsy ny mahalala ny anaran'io zaridaina io ho kianjan'ny fahaleovantena, sa efa mahafantatra ianao. Izay aloha no fahalalako azy e! noho ny tsangambato nanome endrika Madagasikara eo afovoany io sy ny tsangambaton'ny filoha Tsiranana filoham-pirenena Malagasy voalohany hatramin'ny niverenan'ny fahaleovantena no tena nahatsiarovako ny anaran'ny toerana.

Hatramin'ny andron'ny Ben'ny tanàna Razanamasy, raha tsy diso aho, no nisy fivoarana io zaridaina io. Noreharehana fatratra ho efa manakaiky ny any Andafy ny hatsarany. Nomena hikarakara azy rahateo ny "Le Buffet du Jardin" (aza tsiniana aho raha diso no fanoratro teny frantsay e!). Lasa fipetrapetrahana mahafinaritra ny olona ny nankeny.

Saingy raha mankeny kosa ianao amin'izao fotoana izao dia hahatsikaritra fa mihamitotongana indray ny hatsarany.

 

Tsia, diso aho. Mizara roa ry zareo ny zaridaina a! ny amin'ny ilany atsinanana voakolokolo tsara fa ny ilany andrefana zara raha voakolokolo raha atao hoe misy mikolokolo.

 

Ny mpanasaraka ny faritra izany dia ny lalana fizoran'ny mpandeha an-tongotra ahitana ny tsangambato roa nolazaiko teo.

Ny ilany atsinanana amin'io zaridaina io dia toy ny faritra miramirana sy tsara jerena izany. Voahety tsara ny bozaka ary mivandravandra ny fikarakarana e! ny olana aminy fotsiny dia talaky masoandro be ny eny noho ny tsy fahampian'ny hazo manaloka. Ny seza kosa aloha meva rahateo e.

Fa ny ilany andrefana indray rey olona. Oadray! Andeha mody atao hoe faritra maitso anaty tanàna dia tsy maninona na tsy voakolokolo aza nefa mba mahamenatra ihany eo anatrehan'ny mpandalo rehetra. Ny tombony kosa aloha dia be indray ny seza amin'ity faritra ity ary ankavitsiana amin'ireo seza ireo no tsy misy mipetraka mandritra ny tontolo andro. Ilay ahi-dratsy anie tsy maninona ny fisiany raha voalamina hahafinaritra ny maso fa mba mahasosotra kosa raha lasa karazana lobolobo e! Fa anjaran'iza ary ny mikarakara ity ilay andrefan'ny zaridainan'Antaninarenina lazaina amin'ny fomba ofisialy fa kianjan'ny fahaleovantena ity e? Dia tohizo ny dianao re fa eritreritra miserana fotsiny ny ahy.

Aza aparitaka

2008-01-23 @ 10:21 in Finoana

 

Tamin'ny herinandro dia nahazo taratasy A4 ireny ny olona tao an-trano. Ankizy hoe no nanatitra azy tao an-trano. Tsy nisy niraharaha izay tao anatiny ny olona fa izaho fotsiny no gaga nahita azy nivalapatra teo an-databatra. Dia io misy hoe "sary mahavita fahagagana" amin'ny teny frantsay. Dia avy amin'izay ny filazana hoe nisy filohan'i Arzantina nahazo toa io taratasy dia noheveriny ho vazivazy ka tsy noraharahiany kanjo 8 andro taty aoriana dia maty ny zanany vavy. Nisy hafa indray nanaraka ny zavatra notadiavina dia nahazo tamin'ny lôtô.

Tonga ny filazana hoe mandefasa ity taratasy ity amin'ny olona 20, dia asa ianareo raha nanaraka aloha na tsia fa dia nahazo indray aho omaly ary tamin'ny mailaka no nahazoako. Malagasy ny mpandefa ary saiky Malagasy avokoa ny andefasana, olona miisa ho 50 angamba no nandefasany tao. Dia inona ary ity? Izaho aloha manao hoe aza aparitaka rangahy io zavatra io fa tiako ho fantatra aloha hoe iza ilay filoha Arzantin nahazo ilay taratasy dia maty ny zanany afaka valo andro, tamin'ny oviana koa izany fa hojereko ny tantara a! Sahala ireny hoe matahotra ozona ireny avokoa isika. Dia tahaka ny hoe mandefa ozona aty amiko ianao mandefa ireny zavatra ireny aty amiko. Izay ange no naha-jentilisa ahy e! Ny ahy filazana tsotra fa tsy hiangavy anareo mihitsy aho hampiely azy! Ary sary taiza ary io no nalaina?

AZA APARITAKA

Tsy aleo ve mipiraty sy...

2008-01-22 @ 07:30 in Spaoro

Tsy sanatria manohitra ny fananjehana ny piraty sy ny karazany ezahin'ny artista amin'izao fotoana izao fa misy kosa ny zavatra tsy lefitra intsony. Amin'ny ankapobeny ny atao hoe piraty rehefa resaka sangan'asa sy varotra dia maka tahaka ary mivarotra azy amin'ny vidiny mora kokoa. Ny piraty noho izay fakana tahaka izay dia ratsy kokoa noho ny tena izy matetika ny kalitaony. Fa ity atrehina amin'izao fotoana izao ity kosa mba tsy rariny fa ny piraty indray no tsara lavitra noho ny "tena izy" (dia tsy hitako ny voambolana asolo io tena izy io satria ry zareo no ara-dalàna manko.

Resaka fampitana baolina mivantana izy ity ry zareo a! Hitanareo ihany fa anatin'ny vondrona Afrikana isika ary misy lanonam-panatanjahantena tampony ho an'i Kaontinanta ety. Dia manaraka izany indray ny mpitia baolina fandaka e! Fa nirehareha mihitsy ny mpitondra fanjakana nahaloa ny 600.000€ saram-pandefasana mivantana ireo lalao mandeha amin'ity fifaninanana ary nisy aza mpandray anjara tahaka an'i Zambia tsy nahaloa io vola tamin'ny LC2 nahazo ny tsena ara-dalàna io dia malahelo ny mpitia baolina any. Ny antsika moa filankevitry ny minisitra no nanapa-kevitra handoa ny vola izay mitontaly vidy mihoatra ny Ar1.000.000.000 mihitsy. Tsy ho voavidin'ny Tvm izany ka teo no niteraka ny fandraisana andraikitra tamin'ny fitondram-panjakana.

Saingy ny sary nampitain'ity LC2 ity aty Madagasikara kosa ry zareo no tena tsy rariny mihitsy. Izany no tena atao hoe efa mifotetaka ny sary fa mbola mi-smurf izany ny olona sy ny baolina. Toy ny sary mandeha mitsitapitapy e! nefa dia in-20 avo heny noho ny nandoavam-bola tamin'ny Mondial no naloa tamin-dry zareo, hoy ny mpahalala izay. Tamin'ny andro voalohany noho izay tsy fetezana izay dia 25 minitra taty aoriana vao "nety ny sary". Diso ny filazako, nety ny sary satria tsy LC2 no nalefa fa Eurosport. Tsy voavaha mihitsy manko ny olan'ny sary saiky nampitaina tamin'ny ara-dalàna. Tena tsara tokoa re izany sary izany. Tamin'ny fihaonan'i Ghana sy Guinée io. Ny andro faharoa kosa rehefa rehefa nivoaka amin'izay ilay AFNEX LC2 fa dia aleo lazaina ambadika hoe mahay maka sary lavitra ny ao amin'ny TVM no tsara kokoa ny kalitaon'ny sary.

Dia io no nahatonga ahy nanoratra hoe efa mandoa vola be ve dia mbola sary ratsy dia ratsy no omena ny mpijery? Mba tsy rariny ihany. Fantatra anefa fa hatramin'ny taona 2011 no ifehezan'io LC2 io ny tsenan'ny CAN. Azy moa ny tsena ka izay tiany anaovana azy? Raha izany tsy aleo ve mipiraty e! (enga anie tsy hikatona ity sehatra ity amin'izao famporisihana hipiraty izao).

Manaraka izany indray satria izay ilay teboka telo amin'ny lohateny dia hilaza zavatra mahatsikaiky mahatsiravina aho. Efa hitantsika amin'ny gazety sasany angamba ny filazana fa atao renivohitra ara-toa-karena i Toamasina, (didim-panjakana moa dia mahapetraka izany?), dia lasa ny filazana tamin'ny faran'ny herinandro fa omena 100.000.000.000Ar ny any hanatsarana ny tanàna. Dia lasa indray ny teny, tsy hay na fanitsiana na fanomezana hafa indray fa vatsiana 100.000.000Ar ho fanatsarana ny tanàna (sa ny lapan'ny tanàna? tsy fantatra intsony!) fa dia misy elanelana 000 aloha io. Dia hoy aho hoe: misy finiavana handrangitra an'Antananarivo ve ao anatin'izany "fanaovana renivohitra hafa" izany?

Etsy ankilan'izay raha tokony ho anisan'ny nandray fitenenana tamin'ny fanokafana ny faha-40 taona ny FJKM tao amin'ny lapan'ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina izy dia "niala tsiny" noho ny fisahanana andraikitra hafa. Tany Toamasina manko ny lehilahy ka ny fanokafana ny herinandro fiaraha-mivavaka tao amin'ny fiangonana anglikana tany no natrehiny. Efa "tsy tiako Iarivo" intsony ve? enga anie mba tsy ho izany.

Ity misy adinoko fa asosoko eto ihany, 25 minitra taorian'ny fanombohan'ny lalao ihany koa vao azo ny lalao voalohany omaly. Ny lalao faharoa izay tena nandrasan'ny maro ihany koa (CIV#NGR) dia dimy minitra taorian'ny fanombohan'ny lalao vao nandeha satria mbola nandeha manko ny kabarin'ny filoham-pirenena "ka sarotra angamba ny manapaka izany". Soa ihany aho fa 25 minitra taorian'ny lalao vao nijery satria noheveriko fa izay manko no saran'ny vola voaloan'ny Malagasy. namana iray no niteny tamiko io kabary niaretana io raha te-hijery baolina.

Mbola hiresaka zavatra hafa ihany koa. Niteny tamin'ny fandraisam-peo RDB ny Mgr Odon Razanakolona fa malahelo noho izao nampiatoana ny fandaharana "karajia" izao. Fampieritreretana ny rehetra ny ahy no ilazako izany, hoy izy fa tsy fitsikerana. Efa niainana manko ny tsy nampitana tamin'ny televiziona malagasy ny fotoanan'ny katolika hoy ny tenany. Hampitaiko amin'ny filankevitra maharitry ny fivondronamben'ny eveka hivory amin'ny volana ambony ity raharaha ity, hoy ihany izy. Misy moa ny mametraka fanamby fa afaka kelikely dia hiala amin'ny FFKM ny EKAR, dia ho hitantsika eo ny amin'izay aloha.

Ny senatera Kolo Roland ihany koa dia nilaza fa "rehefa sakanana tsy hiteny ny vahoaka dia tsy ho fantatry ny fanjakana mihitsy ny marina". Miresaka ny amin'ny nampiatoana ny karajia ihany izy amin'io. Maro ny zavatra madinika tian-kambara fa tsy haiko moa ny mametraka "bref" amin'ity vohikala ity mba mipetraka eo ankavanana eo fa raha izany no haiko teo an!

BOMBs Teny malagasy

2008-01-21 @ 08:15 in Ankapobeny

 

Misaotra anareo rehetra izay nifidy sy tsy nifidy ahy, nahatonga ahy ho "Best of malagasy blogs" taona 2007 teny malagasy. Tsy zavamora izany satria avy amin'ny safidinareo mpamaky sy ny naotin'ny mpitsara. Tsy adinoina ihany koa ny fisaorana ny mpikarakara ity fifaninanana ity ho fampiroboroboana ny tontolom-bolongana malagasy manerantany. Ankasitrahana ny namakianareo manokana ity blaogy ity hatramin'izay ary hamakianareo azy hatrany. Tsy afaka ny hihambo ho mahay indrindra amin'ity zavatra ity anefa aho fa toy ny zazavao hatrany, na raha manahirana io teny io dia hoe mbola mianatra mandrakariva.

Raha natao manko ny fampitaha ary tsy afenina izany, dia nihena atsasany tany ho any mihitsy ny mpamaky raha nampitahaina ny isany tamin'ny Visavisa Jentilisa sy ny Vaovao Eto an-TOerana. Nefa mbola nosafidianareo hatrany ho ny tsara indrindra tamin'ny taona 2007 aho teo amin'ny teny malagasy. Heveriko fa ny fotoana nandaozana ity sehatra ity elalea na/sy  ny fibahanan'ny politika no anton'izany fihenan'ny mpamaky izany. Fakana lesona avokoa ny zava-drehetra. Tsy maintsy hisy hatrany ny fivoarana araka izay azo atao na dia izany aza.

Eto indray dia mankahery anareo mpibilaogy (mpamaham-bolongana hoy aho izay) rehetra hitozo hatrany, noho ny fitiavana, ho fampiroboroboana ny teny malagasy amin'itony aterineto itony. Any amin'ny lahatsoratry Vazahagasy moa dia naniry izy mba ho malagasy eto Madagasikara avokoa no handrombaka ny fandresena amin'ity taona vaovao ity. Tsy nanomana ary tsy nikasa hanomana izay soratako eto aho fa izay no "vokatry ny fo".

Bye Bye Karajia

2008-01-19 @ 09:53 in Andavanandro

Tsy lahatsoratra amin'ny teny anglisy akory izy ity na dia natao teny anglisy aza ny lohateny. Vita hatreo izany ny antsoina hoe "karajia" ao amin'ny Radio Don Bosco fa ny karajia ao amin'ny namana serasera sisa no mitohy ( sa moa tsy karajia ilay mitshaty ao?).

Na ho inona manko na ho inona ho tohin'ny toe-draharaha dia efa nanapa-kevitra ny hanolo azy fandaharana hafa amin'ny lohateny hafa ny ao amin'ny Radio Don Bosco. Izany hoe raha nosakanan'ny minisitera ity fandaharana ity hiato aloha, ny Radio kosa no nanapa-kevitra hanajanona azy tanteraka ary hametraka eo amin'ny tantara izany fandaharana karajia izany.

Izaho manokana dia mpankafy ity fandaharana ity sy ny kidaona maraina nanaraka ny fombany,  no namoahako ny andiam-pandaharana maresaka tao amin'ny vondrona ifandraisana an-taratasy imailaka serasera volana febroary sy marsa 2005 izay azonao vakiana eto. Ny tanjona notratrariko tamin'izany fotoana izany dia ny hampifanakaiky kokoa ny Malagasy eto an-toerana sy ny Malagasy any ampielezana amin'ny resaka adi-hevitra. Hitako tena tsy arako mihitsy manko ny fandehan'ny resaka ary nanapa-kevitra aho ny hampita kosa izay iadian'ny aty an-toerana hevitra. Ireo fandaharana roa ireo no tena nampitaiko.

Nanaraka izany dia efa voatohitohina madinidinika teny ihany ny fandaharana "karajia" ka nahatonga ny mpiandraikitra tao handray fanapahan-kevitra hiarovana mandrakariva ilay fandaharana sy ny fahafaham-pitenenana. Indro averiko eto ny efa nosoratako tany amin'ny Politika Fanorona (bolongako tany amin'ny blogspot niresaka manokana ny lalao sy ny politika) tamin'ny 02 marsa 2006 izay raha tsy diso aho dia efa noesoriko io fa tsara tahiry kosa:

020306
Fahalalana sy tahotra
Ataoko fa tsy vahiny amintsika rehetra intsony izany hoe radiô malagasy andraisan'ny mpihaino fitenenana hilazany ny heviny izany. Ny radiôm-panjakana aloha no tsy ao loatra amin'io hatramin'izao fotoana izao ankoatra ny fanontaniana ny vahiny asaina amin'ny fandaharana alahady hariva ireny.

Tao ho ao dia nampiasain'ny sasany hanakorontanana ny saim-bahoaka ilay fandaharana fanaraky ny olona liana amin-kevitra sy zava-misy tantarain'ny mpihaino. Voatery nandray fepetra ny radiô tsy miankina iray malaza amin'ny fahamatorany. Tsy najanony ny fandaharana fa noraisiny naoty aloha ny anarana sy ny nomeraon'ilay mpiantso. Ny andro voalohany sy faharoa nampiharana azy dia niteny mihitsy ny mpanentana fa maro ny olona nihemotra rehefa nanontaniana ny anarany. Maro ny natahotra sao migadragadra fahatany noho ny heviny eo. Tsy hoe misy sivana tsy mahazo miteny ny mpanohitra na ny mpanohana ny fitondrana, hoy ihany ny mpanentana, fa mba ho fandraisana andraikitra amin'izay tenenin'ny tsirairay ihany no antony. Nisy tokoa ny nanararaotra toy ny banga nihomehy alina fony tsy nisy izany, fa dia fanalam-baraka hatrany no nataony. Ny fifidianana rahateo efa mandindona ihany.

 Raha nitohy izany dia na ny fandaharana no lasa tsy nisy maminy intsony na voatery niditra an-tsehatra ny fanjakana. Tsy misy tombotsoa velively azo avy amin'ireo tranga ahiana ireo fa dia ny fahafaha-miteny no ho tankina. Efa nisy tokoa ny olona nanala baraka manam-pahefana mivantana tamin'io fandaharana io ary voatery naka ny horonam-peo mihitsy hamakafakana ny hanadihadiana izay lazain'ilay olona sy ilay olona mihitsy aza moa. Ary dia sarona tao ny ati-doha nanao teti-dratsy. Mety ho efa hitantsika anaty gazety ny momba io raharaha io fa tsy any aloha ny resaka. Amin'izao fotoana izao dia tena nandanjalanja tsara ny teny lazainy avokoa ny tsirairay: ao ny mitsikera ny zavatra ataon'ny mpitondra, ao koa ny miaro na manome antony.

Nihena be dia be ny teniteny foana sy ny fanevatevana olona ary misokatra tsara ny adi-hevitra. Nihena koa anefa etsy ankilany ny mpandray anjara. Rehefa nihaino ilay radiô iray mpanao toy io aho ka tsy mandray anaran'ny mpiantso kosa izy ireo dia hita avy hatrany fa tsy toy ny taloha ka tohin'ny resaka tary amin'ilay radiô voalohany no voatery ho re ao. Efa misy dikany lehibe aloha izay. Izay zavatra toy ny bitika izay no ahitana fa ilaina ny aro-fanina amin'ity fahalalahana ity. Ny Malagasy manko no zatra gaboraraka loatra ka nony injay misy fepetran'andraikitra amin'izay teny lazaina dia manemotra andro itenenana aloha hieritreretana tsara.

 Ny aro-fanina akory tsy fefy anakanana anao ho amin'ny sehatra malalaka na tianao aleha fa fiarovana anao kosa tsy hidaboka anaty hantsana ho maratra na ho faty sanatrian'izany. Eo amin'ity fampielezam-peo ity no ahitana tsara ny fitadiavam-pampandrosoana ny sehatra iriariavany fa ny sehatra tantanin'ny fitondrana kosa ve mba ahitana ny toy izany? Efa tsara aloha ny famelana ny haino aman-jery tsy miankina hanapariaka ny onjam-peo sy sary manerana an'i Madagasikara, na dia voatery hametraka antennes manerana ny faritra tiany anapariaham-baovao aza izy ireo. Fa mifanindran-dalana amin'izay dia mitaky vokatra mahasarika sy malalaka avy amin'ny haino aman-jerim-panjakana izany.

Miala tsiny raha naveriko manontolo. Tsy nisy nanabangako na dia ny hevitro manokana aza.  Efa nametraka aro-fanina ho azy mandrakariva ny mpanentana ny fandaharana tamin'izany fotoana izany. Samihafa ihany koa ny toe-draharaha tamin'izany fotoana izany sy ny amin'izao fotoana izao. Mbola natanjaka be ny teo amin'ny fitondrana na maro an'isa kokoa ny mpanohana azy. Mpiantso ihany koa aho tamin'izany fotoana izany ary tsy natahotra ny nanonona anarana tamin'ny mpandray ny antso.

Amin'izao fotoana izao kosa dia malemy dia malemy ny fanjakana raha ny ampahan'olona mpankasitraka azy amin'ny ankapobeny eto Antananarivo no heverina, hany ka niantsambotra raha vao nahare olona iray nandroso soso-kevitra hoe "na midina eny amin'ny 13 mey aza ny olona dia tsy hanimba zavatra velively tsy akory." Izay feo izay ilay tsy tantin'ny fanjakana sady araka ny fepetra dia tsy azo atao intsony ny midina milahatra eny amin'ny kianjan'ny 13 mey. Manontany tena aho hoe ny eny ihany ve no tsy azo atao sa ny maneho hevitra midina an-dalam-be mihitsy?

Manaraka izany dia nitsinjo izay voasoratra tamin'ny haino aman-jery sy ny tontolom-bolongana aho (fa ity farany ho'aho tsy mbola nahitako mihitsy sa izaho no tsy mahay mijery?) ka azo fintimpintinina toy izao:

Ny vaovaontsika ao amin'ny pejy fahatelo mitondra ny lohateny hoe "misy fetrany" dia mamelively fatratra ny mpanao gazety namany ka ny voalohany nasiany tamin'izany dia filohan'ny onjam-peo mahaleo tena (ajrp), hoy ny fanontaniany hoe "azo sokajiana ho anisan'ny fampahalalam-baovao ve ny fandaharana feno tora-po sy teny tsy voahevitra sy feno fihantsiana Mpitondra toy ny karajia?"

Asa! rehefa famoahan-kevitra manohitra ny fitondrana angamba no antsoina hoe fihantsiana ny mpitondra. Ny ankabeazan'ny olona miditra ao dia saiky matotra avokoa fa raha vao misy ny olona mivaona dia mpiantso hafa ihany no manitsy azy hoe aza ny olona iadiana hevitra no tsikeraina fa ny heviny. Rehefa resy amin'ny adi-hevitra manko ny sasany dia ilay iadiany hevitra no kianiny.

Dia notohizan'ny vaovantsika indray ny fanontaniana ka ny Rdb indray no iantefany:" Mendrika ny fitaizana araka ny evanjely ve ny... fanomezana vahana hanohitra sy hiteny ratsy ny fitondrana...?"

Dia nisy namako katolika izay no tsaroako (izaho moa protestanta) fa manana maopera izay izy mandrisika hatrany ny vahoakan'Andriamanitra hijoro amin'ny marina satria andry iankinan'ny Evanjely ihany koa ny filazana ny marina. Foana ny evanjely tsy misy fijoroana amin'ny marina. Tsy mbola nisy niteny ratsy ny mpitondra kosa tao fa ny ratsy nataon'ny mpitondra no mety ho voalaza tao. samihafa izany teny izany.

Dia teny amin'ny faraparan'ny lahatsoratra moa no nilazany hoe "zara aza mba tsy nakatona teo ny onjam-peo" ka hoy aho hoe "andramo e!". Izao tokoa manko, any amin'ny faritra hafa raha misy ny tratran'ny fanapahan-kevitra sahala amin'izao dia ny onjam-peo avy hatrany no mikatona. Ity kosa dia ny fandaharana ihany no naato. Gaga ny mpanara-baovao: Tsy sahy manakatona onjam-peo angaha?

Misy moa ny hevitra hafa navoakan'ny gazety hafa fa ataoko fa mitovitovy avokoa izy rehetra, anisan'izany ny tao amin'ny madagacar tribune izay anekeko tokoa fa naheno ilay antson'olona tamin'Atoa Manandafy Rakotonirina aho hirotsahana eny amin'ny 13 mey saingy tsy naato moa ny fandaharana.

Farany: ny antom-piampangana moa dia "firaisana tsikombakomba amin'ny fanohintohinana ny filaminam-bahoaka", izany hoe raha ny fahazoako azy dia fanohintohinana ny filaminam-bahoaka ny fiantsoana hidina hilahatra an-dalambe. Marihina fa dia nilaza momba ity raharaha ity avokoa na dia ny haino aman-jerin'ny mpanohana ny fitondrana aza (mbs) tamin'ny vaovao alina, fa ny tamin'ny radio nasionaly kosa dia avy tamin'ny fanambaran'ny holafitry ny mpanao gazety ihany no mety ahenoan'ny olona manerana an'i Madagasikara ny "fampiatoana" ny fandaharana karajia. Na dia ity fandaharana karajia ity ihany aza no nosakanan'ny fanjakana dia najanon'ny Rdb hatramin'ny fandaharana isaky ny alatsinainy maraina amin'ny 10 ora sy sasany ka hatramin'ny 11 ora sy sasany hialana amin'ny fanararaotana hoy ny mpiandraikitra. Raha ny voasoratra amin'ny taratasy fandrarana anefa dia tsy voakasika mihitsy ity fandaharana ity raha ny tokony ho izy fa ny tao amin'ny fampielezam-peo mihitsy no nanapa-kevitra.

Karajia banned by the malagasy government!

2008-01-18 @ 07:26 in Andavanandro

It's also amazing from the Malagasy government to suspend the popular program "karajia"  (discussion) broadcasted by the  Roman Catholic Radio (Radio Don Bosco). There, people can give all their opinion in what they would say about.

Lava ihany izay amin'ity tsy mbola fahaizako maneho hevitra amin'ny teny anglisy izay. Misy didim-panjakana mihitsy araka ny filazan'ny namana nivoaka ny ora tokony hanombohan'ny fandaharana isan'andro. Izaho moa eo amin'ny 8 ora eo ho eo no mamadika hihaino azy, tsy henoko noho izany ny fanambarana fa ny hirahira sisa no nandeha dia gaga ihany aho. Tany amin'ny fandaharana iray hafa "kidaona maraina" no nanehoan'ny hafa ny heviny indray momba ity "fanafoanana" amin'ny teny malagasy fa "suspension" kosa indray amin'ny teny frantsay.

Ny antony araka ny heno dia toa hoe tadiavina entina hanaikana ny olona hilahatra no antony. Olona mpihaino iray moa no nanao izay fitenenana izay ary efa novalian'ny mpanentana io saingy iny no fanararaotran'ny mpitondra hanakatonana azy. Miasà mafy ny Mpamaham-bolongana rehetra fa mandady ny trambo. Mety ho anjarantsika ihany koa ny manaraka, ary mety hisy ny fanakanana ny aterineto raha mitohy izao.

Nisy moa ny niteny tao amin'ny kidaona fa raha tsy afa-maneho ny heviny ny olona dia ahiana ny hielezan'ny graffitii hanehoan'ny olona ny heviny.

 

Tana Terminator

2008-01-16 @ 16:18 in Andavanandro

Araka ny fitadidiako dia izay vao nisy fanafihana nataona jiolahy paositra mpitandro filaminana teto Antananarivo niaraka tamin'ny fitaovam-piadiana dia ny basy izany. Nisy ihany ny filazana taloha fony nodidiana ho tsy ara-dalàna ny kung fu tamin'ny androny, nihorakoraka teny amin'ny manodidina ny hotel de police teny tsaralalàna ny kung fu anjatony tamin'izany fotoana izany. Fa ity nitranga tamin'ity herinandro ity no nisiana fanafihana mitam-basy. Manamarika izany fa dia lasa toy ny miaina anaty lahatsary mihitsy ny mponina eto Antananarivo amin'izao fotoana izao.

Efa hitan'ny rehetra omaly fa nisy jiolahy roa maty notofirin'ny polisy teny Tsaralalàna, azo sambobelona ny iray ary afa-nandositra kosa ny iray. Izay nanatri-maso dia nilaza mazava fa tsy nisy bala nisolifatra mihitsy ny an'ny polisy fa ny an'ny jiolahy no mety ho nisy raha nisy izany. Ny alin'io ihany dia notafihin'ny jiolahy ny paositra tsotra iray teny Antsalovana... moa va tsy toy ny tamin'ny terminator hitako voalohany indrindra miaraka tamin'ny teny hoe "I'll come back" (tsatoka teny anglisy fotsiny io fa ny "je reviendrai" no narahina tamin'ny lahatsary). Valifaty avy hatrany no ambetintenin'ny rehetra.

 (tohiny)

Miantso fanampiana ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina

2008-01-15 @ 09:58 in Politika

Tsy ela tokoa, fa raha niangavy ny hilazan'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo ankehitriny mikasika ity fanendren'ny Prefen'ny Polisy ny sefom-pokontany ity mpikarajia sy ny mpikidaona maraina (mpiantso amin'ny telefonna isaky ny maraina andavanandro) dia nasaina manokana na tonga tao amin'ny filazam-baovaon'ny Viva TV izay azy ihany izy tamin'ny 8 ora sy sasany alina teo.

Tsy naharaka hatramin'ny voalohany aho fa dia niangavy izy, raha azo atao mba hisafidianan'ny olona ihany ny sefom-pokontany. Nomarihiny manko tao anatin'ny resaka fa misy sefom-pokontany tsy hita intsony izay nalehany hatramin'ny nahalany azy izay ka nikatso avokoa ny taratasy ilaina ka mila ny soniany. Voalaza teo moa fa ity fanendrena ataon'ny prefen'ny polisy ity dia efa nokasaina ny 14 desambra 2007 (roa andro taorian'ny fifidianana ho ben'ny tanàna monja) fa izao vao nolazaina.

Manaraka izany dia nolazainy fa tsikaritra ho mahazo fanembatsembanana isan-kerinandro ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Voalohany ilay Raharaha solika (trosa) nampijanona ny fandraofam-pako iny. Noho ny raharaha solika tsy nisy teo iny dia efa nisy ny nanolotra gazoala 5000 litatra aloha, dia nisy 5000 litatra hafa ihany koa ary vao farany teo dia nisy nanome 2000 litatra. Faharoa indray ilay resaka Jirama izay nanana ny akony manokana sy nampivadika tanteraka ny hevitry ny maro momba ny ataon'ny fanjakana foibe. Nanangana fahavalo ho azy izy ary maro tamin'ny mpanohana aza no tohina ihany koa. Taorian'io tranga io dia tsy nisy firy intsony ireo nitondra tee-shirt Hery Rafalimanana. Ny fahatelo indray moa dia ity fanendrena sefom-pokontany tsy misy fifidianana ity. Ny fahaefatra angamba ANGAMBA dia tsy manaraka Can ny mpijery baolina malagasy satria amin'ny herinandro izy io no hanomboka sa inona re no azo eritreretina hafa?

Ankehitriny ary dia miantso ny malala-tanana rehetra ny Ben'ny tanàna hanao fanampiana ny tanàna satria tsy misy intsony ny vola hampiasaina. Hajoro na sokafana indray ny FAR (fanampiana an'Antananarivo Renivohitra). Toa filazana ankolaka fa efa mivonona ny tsy hahazo ny anjara tetibolany avy amin'ny fitondrana foibe ny Renivohitry Madagasikara.

Ahoana tsara? Mpamotika zavabita hoe?

2008-01-14 @ 16:03 in Andavanandro

Dia saiky kamo be aho hanoratra fa aleo aloha soratana ihany. Gaga aho fa hay betsaka na lehibe indrindra fa ankizy no tsy mahalala izany rameva. Izaho angaha no milona amin'ny teny malagasy. Chameau na dromadaire re izany ry zareo tsy mahalala a! fa izao, dromadaire izany no tonga taty amintsika fa tsy chameau, nefa samy karazan'ny chameau ihiany moa ka tsy diso loatra izany ilay voambolana nilazana ny rameva tonga teto amintsika iny. Samy rameva indray aloha no ilazana azy e!

Fa mba fatratra ihany koa ny lahatsoratra novakiako tamin'ny gazety "Ny Vaovaontsika" izay mpanohitra ny fitondrana sady mpanohitra bontolo ny Ben'ny tanànan'Antananarivo. Toa tadiaviny endrikendrehina ho mpamotika ny zavabita indray ny TGV sa Antananarivo? Ny mpamaky ahy dia mahafantatra mazava tsara fa tsy nifidy TGV aho. Fa izany tsy manakana ahy tsy hitsikera izay tsy mety ataon'ny fitondrana kosa. Izay no fahalalahako. Ny sary mivoaka eto izao dia sary nalaiko tamin'ny faran'ny taona tany ho any. Nalahelo aho hoe mba tsy mety loatra izao famotehina izao. Saingy hitako fa ny fiara te-hiantsona mihitsy no be loatra eo amin'io faritra io ka tsy mahagaga raha voadoadoana ireo foto-drafitrasa nahafinaritra kely ireo. Ny tena nahasosotra dia samy toa voaendrikendrika na Antananarivo na ny TGV.

Na izany na tsy izany dia tena misy mikendry zavatra hafa mihitsy ny sasany izay tsy voatonona eto. Hitako manko fa ny soavaly vy indray no te-hameno ny toerana nialan'ny fiara. Na moto io na scooter samy voatonona avokoa. Moa misy ihany koa ny efa zatra mihetraketraka amin'ny firimorimoana mafy ka rehefa manana olana dia ny tsatobato ihany no ifatraran'ny rihitra hampijanonana ny fiara.

Fa ity koa, tena nampieritreritra tokoa ilay nolazaina fa nandeha nankany Afrika Atsimo ny filoha fa samy tsy hita na ny nandehanany na ny nahatongavany teto an-tanindrazana an! hum...

Tsikin-drameva

2008-01-12 @ 11:09 in Ankapobeny

Mifarana indray ity ny herinandro ka dia aleo ny tsikitsiky aloha no hamaranana azy. Ny Rameva tonga eto Madagasikara aloha izao no ambentin-dresaky ny manodidina ahy. Ny hoe maro miresaka azy aloha tsy azoko itompoana kosa. Iza kosa no tsy ho taitra raha maheno hoe misy Rameva tonga eto Madagasikara? Faniriana fahakely ihany ny hahita ny biby tsy fahita ho eto Madagasikara fa ny Liona sy ny Tigra ary ny Elefanta no tena masaka tao an-doha fa tsy dia noeritreretina loatra kosa ny hijery izany Rameva. Na izany aza nahoana tokoa moa raha mba mahita Rameva mivantana ny olona? Mety hilaharana indray izany ny hakany Iavoloha hijery azy fotsiny, na raha tsy tian’ny filoha moa ireto fanomezana voalohan’ny taona hafakely ireto dia tsy lavitra ny Lapa tsy akory ny zaridainan’I Tsimbazaza sy ny Lapan’ny Antanimieram-pirenena. 


Oadray tokoa, dia samy manana ny zaridainany tokoa I Tsimbazaza sy Iavoloha an! Ao Tsimbazaza tokoa hay moa ny Biraon’ny Ben’ny tanàna eto Antananarivo. Fa ny ao Tsimbazaza ny biby sy zavamaniry tsy fiompy sy tsy famboly loatra no tena apetraka hotsidihan’ny olona fa ny any Iavoloha indray ny fiompy sy ny famboly no miranty ao. Fa lasa aiza indray ary ilay resaka rameva teo? Saiky hivily tokoa ny resaka marina. Ahoana indray ary ny vazivazin’ny namana: Hojeren’ny filoha indray izany hoe mahatratra firy litatra isan’andro no mety ho azo amin’ny rameva vavy iray, azo sotroina manko ny rononony, ary azo hanina hoe ny henany saingy tsy hanin’ny jiosy io satria tsy mivaky kitro araka ny fahalalako azy, nefa aleo aloha hojerena mivantana ihany. Dia raha misy filazana indray rehefa avy eo hoe hanafatra rameva be dia be isika dia mety hahazo tombony anatin’izany indray ilay orinasa efa midadasika tsy tononiko izay. Ny azy manko io ronono io ihany no tena mba angadiny…oadray talentany no marina kokoa.


Fa ny tena nahatapaka ny tsinaiko dia ilay saritatra nataon’i Tojo ao amin’ny joro “Passe-Par-Tojo” androany tao amin’ny Midi Madagasikara iny. Tsy naka alalana fa dia aleo tantaraina an-tsoratra ihany. Indreo ny Rameva fa mipetraka tsy dia lavitra loatra ny Lapa, ankevitry ny any ho any amin’ny faritra “fitaratr’i Madagasikara” any, anivon’ny biby sy ny zavamaniry. Misy mirahalahy miresaka eo ka hoy ny anankiray hoe: Il ne manque plus que les mages! (ny magy sisa no andrasana!). Efa tena raiki-tapisaka amin’ny olona tokoa noho ny sary fa rameva no nandehanan’ny magy na dia tsy mahatadidy izany loatra ao amin’ny baiboly aza aho. Dia misy zazalahikely mitondra manolotra tavy kely amin’ny rameva miteny hoe: Hinana Yaolta? (hihinana Yaourt?). Dia hoy aho hoe mbola tsy lasa lavitra tokoa ny Noely ry zareo. Noely fankalazana ny “ Fa zaza no teraka ho antsika, zazalahy no nomena antsika, ary ny anarany dia atao hoe Iman…uel” fa raha eto amintsika angamba noho ny fifidianana farany teo dia andeha atao hoe “raj…uel” (izy manko no nofidian’ny maro an’isa koa!). Dia ahoana izany? Ataonareo hoe Heraoda ny filoha izany? Tezitra amin’izany eo izy an!


Fa lasa ihany ny saiko ry zareo, nahoana moa ny efa nanana anarana hoe rameva ny rameva teo amin’ny Malagasy? Edrey! Tsy maintsy noho ny fitadiavana voambolana teo amin’ny baiboly ihany io ry nao a! tonga teo amin’ny tantaran’i Esao sy Jakoba, na Abrahama ohatra dia inona no atao anaran’ny biby tsy fahita eto Madagasikara? Tsatoka sy hanihany sisa fa raha misy moa ny tahirinkevitra milaza izany mety hahafinaritra ihany. Avy amin’izay ary ny Misionera mpandika teny nampiseho ny sary tamin’ny mpianatra (Malagasy) sady mpiara-mandika ny baiboly ho amin’ny teny malagasy rahateo. Dia avy ny Misionera niteny hoe “Kamela ity” na “Diraomadera ity”. Ny mpianatra kosa vatany vao nahita ny sarin’ilay biby dia nisy niteny hoe “Raha meva tokoa izy izany” Mety ny teny hoe madera avy tamin’ny Diraomadera izay mitovy dika amin’ny meva sy ny tsara ary ny soa sisa no henon’ny mpianatra mijery sary vao. Dia namerina ny misionera hoe “Diraomadera”, novalian’ny mpianatra ihany hoe “Eny e! Raha meva” Dia noraiketina ho Rameva ny anarana nifanarahana. Hanjohanjo ihany izany fa mety noho ny fitiavan’ny iray amin’ny mpandika teny tokoa, tsy fantatra na malagasy na vazaha, ny biby no nahatonga azy hoa rameva “nahazo anarana manomboka amin’ny Ra…” Angano angano à rire à rire…

Tokony hampahafantatra ny hetra sy haba aloany ny Tiko

2008-01-11 @ 07:14 in Toekarena

Eo anoloan'ny fisondrotan'ny hetra sy ny haba isankarazany dia mandeha dia mandeha ny fanontanian'ny mpiresaka an-dalambe, fa tsy amin'ny haino aman-jery hoe mba mandoa vola ve ny tiko sa orinasan'ny filoha dia tsy takian-ketra?

Mitsamboaboatra ihany ny olona raha vao ampifandraisana ny hetra aloan'ny olona ka iniana anotaniana hoe mba manao ahoana ny vondrona tiko? Koa raha sahy sy te-hampangarahara ny toe-java-misy manaporofo ny fitiavan-tanindrazany amin'ny fandoavan-ketra ny tiko dia tokony hanambara izany ampahibemaso sady hilaza ny vola naloany isan-taona indrindra hatramin'ny nitondran'ny filoham-pirenena.

Efa manahirana koa manko ny lahatsoratry ny vaovaontsika indraindray tahaka ny fanaovana lohateny hoe politikan'ny fitarainana. Dia manantena isika fa hampiseho ny fanatontosany ny adidiny ny orinasan'ny filoham-pirenena

Ny karamanay aza tsy hiakatra mihitsy

2008-01-10 @ 09:45 in Toekarena

Nanana ny lazany teto amin'ny tanàna indray ity resaka nampakarana ny karama ity. Ny an'ny mpiasam-panjakana no nolazaina voalohany tamin'ity raharaha ity nandritra ny kabarin'ny filoha Ravalomanana tamin'ny faran'ny taona teo iny.10% no nolazaina ary natao hoe nahakivy ny mpiasam-panjakana izany. Izaho indray tsy hitako izay tokony hahakivy satria samy manao ny ataony daholo ihany ary raha misy ny sampan-draharaha tsy mandeha amin'izay laoniny ny fanaovana asa dia ny asam-panjakana no malaza voalohany indrindra amin'izany. Ny an-dry zareo aza misy fampakarana ihany isan-taona fa ny anay izany indray mandeha ihany izay tao anatin'ny dimy taona, sady noho ny "fiakaran-daharana" fa tsy hoe niakatra tamin'ny toerana nisy ahy.

Androany indray dia nahita tamin'ny gazety fa nanao soso-kevitra hampakarana ny karama koa ny patirao "sasany". Averiko indray ny hoe sasany ka tsy 10% toy ny an'ny mpiasam-panjakana fa 8% hoe. Endrey, mba misy vondrona manao izany ihany kay? Ny anay manko dia efa nilaza mialoha (aza manontany izay misy ahy fa tsy hilaza koa aho) fa na dia te-hanondrotra aza dia tsy afaka noho ny nampakaran'ny fanjakana ny isan-jaton'ny hetra alaina amin'ny orinasa. Tsy hilaza ny taha ihany koa aho satria ho hita any amin'ny teti-bolam-panjakana 2008. Indrisy ry mpiasan'ny tsy miankina toa anay fa tsy hisy ny fanondrotana...

Fa ny mba mahagaga ahy dia ny hevitra sasany manao hoe aleo, hono, tsy ampakarina ny karama, dia sakanan'ny fanjakana ihany koa ny fiakaran'ny vidin'entana. Atao ahoana fa izay angaha ny tarazon'ny fotokevitra sosialista revolisionera niainana fahazaza. Ny vidin'entana tsy ho azo ferana na oviana na oviana tsy hiakatra indrindra ao anatin'izao vanim-potoanan'ny fanotoloana izao. Zaranareo izay mahazo fanondrotana aza fa na dia miakatra aza ny vidim-piainana dia manana hafainganam-pandeha tsaratsara kokoa ianareo noho ny anay omaly tsy miova.

Fa izany eo ihany fa iza ary ireny manam-pahaizana momba ny antontanisa milaza fa 15% ireny ny fiakaran'ny vidin-jiro? Ny ahy ve rangahy lasa avo roa heny mihitsy ny fiakarany dia 15% hono... any amin'ny vaniny faharoa anie no tena mamely ilay fisondrotana e! (2° tranche no tiako lazaina fa ilazao ihany aho raha misy teny malagasy metimety aminy kokoa. Fa na dia hiakatra 8% aza ny karaman'ny mpiasa tsy miankina hafa ny anay aloha efa niala tsiny ny lehibe e!

Lasa any Afrika Atsimo ny filoha Ravalomanana

2008-01-09 @ 17:06 in Politika

Misy moa ny niresaka fa midika zavatra be dia be ny nitsidihan'ny masoivoho amerikana sy maorisiana ny Ben'ny tanànan'Antananarivo. Noho izany indrindra ve sa fifanandrifian-javatra ny nialan'ny filoha sasatra tany amin'ny faritra avaratra aloha dia izao lasa any Afrika atsimo izao. Tsy fitsidihana ofisialy manko ny andehanany any fa fitsidihana amin'ny anaran'ny tenany manokana (visite privé). Izay ahay Atoa filoha, malaza loatra any amin'ny takoritsika manko hoe ny hivoahanao lava io dia mikarakara ny orinasanao hatrany (mitady entana na akora hamidy eto Madagasikara) nefa ny volam-panjakana no ampiasaina amin'izany, siosio ihany izany fa tsy fantatra akory izay fahamarinany. Izao dia voalaza tsara fa dia mitsidika any Afrika Atsimo amin'ny anaran'ny tenanao manokana no andehananao any. Mba mazava kokoa ny resaka fa tsy hifampitsongoloka ambadika lava izao!

Ka iza ary no hisolo ny Shoprite?

2008-01-09 @ 07:22 in Toekarena

Orinasam-barotra goaibe Afrikana Tatsimo ny Shoprite araka ny fahalalako azy. Izy no nisolo ny Champion izay tsy tamana teto Madagasikara intsony rehefa nifarana hatreo ny fitondran-dRatsiraka Didier. Raha izay tadidy izay no lazaina dia tokony ho tamin’ny taona 2003 teo ho eo no niditra ny tsena malagasy ity fivarotana goaibe ity.

 

Raha misy ny toerana tsara indrindra azony mahalaza tsara azy dia io eo Antaninarenina (Printemps, Prisunic, Champion ary farany Shoprite) io. Na dia lavitra akaiky azy aza manko ny eo Analakely anoloan’ny Lycée Rabearivelo dia azo lazaina fa samy manana ny mpanjifany izy roa ireo. Ho anareo mbola tsy mahalala ary dia nikatona io Shoprite eo Antaninarenina io nanomboka ity volana ity noho ny tsy nanavaozan’ny tompony intsony ny fanofana ny trano. 


Azo lazaina fa tombombarotra misimisy ihany no very noho io fikatonana io ary hahazo tombony izay hahazo io toerana fantatra amin’ny mahatsenambarotra lehibe azy. Dia hibanjina any ny mason’ny mpanarabaovao liana hahafantatra haingana dia haingana izay nahazo ny tsena. Mbola ho tsenambarotra ihany ve sa hampiasaina zavatra hafa amin’izay? Aza hitako anie ka lasa mahagrrrr…aoka marina e !

Vola sandoka eee!

2008-01-07 @ 07:20 in Toekarena

Na dia tsy misy mpilaza loatra amin’ny haino aman-jery aza ny fisian’ny vola sandoka eto amin’ny firenena, tsy milaza izany fa tapitra hatreo ny amin’io. Hatramin’izao fotoana izao dia any ambanivohitra no tena malaza ielezan’ireny vola sandoka ireny. Mazava loatra fa raha tsy mahalala tsara ny vola dia mety ho voambaka, indrindra fa ireo mpivarotra omby any amin’ny tsenan’omby mazava loatra.  


Tsy dia miakatra eto an-drenivohitra loatra kosa ireny vola sandoka ireny noho ny fahalalana avy hatrany ny mahasandoka azy angamba. Vantany vao aharenesam-peo ny fisiany manko eto Antananarivo dia vetivety dia azo ireo mitondra azy ary matetika rehefa misy tambajotra tratra dia misy Komoriana na Afrikana vitsivitsy hatrany ao anatin’ny tombajotra iray. Noho izay antony izay no mahatonga ny maro izay iresahako tsy mankasitraka loatra ny fahamaroan’izy ireo eto an-tanàna ary antony iray tsy nankasitrahana ny fidirana tamina tsena ekonomika roa avy hatrany (sadc sy comesa). Ny tombotsoan’ny filoha ihany no tena banjinina tamin’ny fidirana tamin’ireo vondrona ekonomika ireo, hoy ny hevitry ny tsy mpankasitraka sy/na tsy mahita tombotsoa loatra amin’ny fahamaroana Afrikana mandraharaha eto an-tanàna. 


Izay no ela fa hampiseho anareo sarim-bola ambadika sy anoloana aho ka anjaranareo ny mamaly aloha hoe iza amin’ireo vola ireo no hitanareo fa vola sandoka? Samy sandoka avokoa ve izy roa sa samy tena vola avokoa? Sa ny vola ambony ihany no sandoka? Sa ny vola ambany ihany no sandoka? Hazavao ny hevitrao!

   

Ny valinteny marina amin’ireo fanontaniana rehetra ireo dia “TSIA” avokoa afa-tsy voalohany sy ny farany irery ihany. Ny voalohany tsy mety valiana eny na tsia fa mitady valiny hoe itsy, na iroa, na izy roroa, na samy tsy izy. Ary raha mamaly “eny” kosa ianao tamin’ny fanontaniana farany ka manana ny antony mazava dia nahita ny marina ianao.


 


Ny tsikaritry ny nahita ny mahasandoka ilay vola teo ambany voalohany dia ny soratra 2000 nitsonika. Io vola nitsonika io no manaitra ny saina satria tsy dia fahita tamin’ny vola taratasy loatra.


 


Rehefa hita iny nanaitra voalohany iny vao afaka jerena hoe toa somary mifotetaka kokoa ny loko na dia tsy mivandravandra aza izany. Ny vola tena izy moa hita ho maimaina izay ihany ny fijery azy.


 

Aoka anefa homarihina fa sary alaina ambanin’ny hazavan’ny masoandro ny sary nijerenao azy fa raha ny nandraisanay azy tanaty toerana somary malomaloka maizimaizina ihany dia tsy hahatsikaritra azy loatra ianao raha tsy efa nilazana mialoha. Maro tamin’izay niresahako moa ny niteny hoe raha any amin’ny fiara fitaterana iny no alefa tsy hisy hahatsikaritra akory. Ny fandrasaina ilay vola manko raha tsy efa mpikirakira azy tsy hahatsikaritra ny mahasamihafa azy amin’ny tena izy akory. Tsapa ihany fa somary matevina ilay vola sandoka nefa malefaka kokoa rehefa miara-raisina izy roa.

 
[25]

 Rehefa izay vao mijery ny tsikaritra hafa ianao. Io fa mivandravandra mamirapiratra loatra ny tsiratsiraka fanavaham-bola (filament) amin’ilay vola sandoka nefa rehefa tarafina tsy ahitana soratra 2000 tahaka ny amin’ny vola tena izy.

     


[4,20,27,26]

Jereo kosa anefa fa vitan’ny manao vola sandoka amin’izao fotoana izao ny sariomby izay fiarovan’ny maroan’isa taloha.

 

 [28,29]



Ny mampihomehy amin’ny sariombin’ny volasandoka fotsiny dia tsy marika 2000 araka ny sary amin’ny vola tena izy no hita fa 5000. Jereo tsara ny maritsoratra mitsangana miakatra eo ambany ankavian’ny sariomby. Misy ihany koa moa ny fiavahana madinidinika nefa noho ny hamaroan'ny sary hijerena ny lafy sy ny joro rehetra dia azonao jerena eto izany.



 
Eo vao lasa ny eritreritra hoe, tsy hanao dikantsary vola tsirairay ny manao vola sandoka fa mety hiverimberina ny laharana sahala amin’ity asehoko eto ambany ity


 


Fa rehefa nahita ity vola sandoka ity aho, ka miverina mieritreritra ny sarambamben’ny olona indray mamantatra ny vola sandoka amin’ny tena izy dia hoy aho hoe tsy mahagaga raha betsaka ny vola rovitra mandehandeha ain’izao fotoana izao. Tandrifin’ny tsiratsiraka hatrany manko no misy ny rovitra ka mahalasa ny fisainana hoe misy manao fanahy iniana mandrovitra ve sa eo no mora rovitra ny vola. Amiko manokana anefa dia tsy mitombina loatra ny valinteny faharoa farany io.

Akon'Iavoloha

2008-01-04 @ 10:48 in Politika

Araka ny efa fantatry ny mpanara-baovao dia androany maraina naroso tamin'ny 9 ora ny fifampiarahaban'ny mpitondra fanjakana amin'ny solombavambahoaka sy ny ny Ben'ny tanàna. Mazava loatra fa tany amin'ny lapam-panjakana Iavoloha no nanaovana izany fifampiarahabana izany. Dia lazaina mialoha eto fa teo amin'ny fitoerana voalohany no napetraka ny Ben'ny tanànan'Antananarivo mivady na dia tsy sisiny loatra aza izany.

Manaraka izany noho ny asa dia tsy naharaka tsara aho na dia te-hampita antsipiriany ny zavanisy tao aza. Misy ihany koa anefa ny tsikaritra tanatin'ny asa. Ny kabary re voalohany dia ny an'ny filohan'ny antenimieram-pirenena Atoa Jacques Sylla. Fifampiarahabana moa ka tsy maintsy firariantsoa no manjaka. Mazava loatra fa tiany hanandanja ny firariana "hiaina amin'ny fandriampahalemana" sy "hiasa anaty filaminana" ny vahoaka. Mitohy avy eo moa ny fampandresen-dahatra fa anaty fanatontoloana isika ka mifampiankina anaty sehatra iraisam-pirenena avokoa ny zava-misy rehetra, toy ny fiakaran'ny vidin'ny solika, ny fitsarana ady heloka bevava ary ny tany mihamafana.

Ny Praiminisitra avy eo no nikabary ka nilaza tsotsotra ny vitan'ny governemanta. Tao moa no nahenoana hoe nihena 38% ny tahan'ny heloka bevava raha oharina tamin'ny taona 2006. Teo koa ny filazana fa tafaverina amin'ny tompony ny 75%n'ny omby nangalarina. Teo koa no nilazana fa hakarina ho 60 000Ar ny fanampiana ho an'ny mpampianatra FRAM na mpampianatra iantohan'ny ray aman-drenin'ny mpianatra ka mba manao fanampiana ihany koa ny fanjakana foibe.

Nanaraka ny kabary na anatin'ny kabary moa no nanateran'ny olombaventy sy solontenam-paritra isankarazany ny solombodiakoho. Anisan'ny nanolotra izany tamin'ny filoham-pirenena mivady ny Ben'ny tanànan'Antananarivo sy ny solontenan'ny isam-paritra. Narahina fanomezana santa-bary avy amin'ny isam-paritra 22 izany satria "ny akoho laoka ampiarahana amin'ny vary" hoy ny kabarin'ny filoham-pirenena. Miteny faritra ihany dia tsara ny milaza hoe nihofahofa teny amin'ny sehatra avokoa ny fanevan'ny faritra 21 (sarin'ny armoirie) fa ny an'ny Haute Mahatsiatra no "tsy misy saina" tsy nahatonga ny azy, drapeau no tiako lazaina hoy ny filoha izay. Ny tsikaritra hafa ihany koa dia ny nampitodihana tamin'ny mpanatrika ny osy iray rehefa hikabary ny filoham-pirenena. Kely ny hanin'ireny dia efa mahavokatra ronon be, hoy ny filoha nandritra ny kabariny.

Nandritra ny kabariny tokoa ny filoha dia nilaza fa be ny asa vita saingy be ihany koa asa miandry. Ny 75%n'ny malagasy manko no mbola mahantra. Nolazain'ny filoha amin'ny zay ny laharam-pahamehana telo hotanterahin'ny governemanta mandritra ny taona 2008. telo aloha hoy izy fa tsy valo.

1- Hampitombo ny harin-karena (fampandraisana anjara ny mpandraharaha sy ny mpanao asa tanana malagasy) satria tsy hisy fandrosaona izany raha tsy mitombo io harinkarena io.

2- Fanamafisana ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra.

3- Fampihenana ny fahantrana

 

Ny tanjona kendrena manko araka ny filoha dia ny hahatrarana ny harinkarena ho 7 na 8% any ho any. Avy eo moa dia nampitenenin'ny filoha hamelabelatra ny zavamisy ankehitriny ny minisitra Ivohasina Razafimahefa. Lavalava ihany io kabary fanavazavana io fa miaraka amin'ny tabilao sy voarakitra an-tsoratra moa ka tsy nahamonamonaina loatra. Ny nomarihana sady efa fantatsika ihany dia 580 000 000€ no azo tamin'ny firaisambe Eoropeana ary 700 000 000$ kosa indray no azo avy tamin'ny banky iraisam-pirenena hanatanterahana ny MAP. Ny faharoa dia raha 475 000Ar n harinkarena isam-batan'olona tamin'ny 2006 dia tafakatra ho 628 260Ar kosa izany tamin'ny taona 2007. Ny tahan'ny fahantrana kosa raha 80.0% tamin'ny 2002 dia nihena ho 67.5% kosa izany tamin'ny 2006, mbola eo ampikajiana fa mbola mihena io hoy izy.

Ary ny nomarhinia farany dia hisy fifaninanana ho an'ny Kaominina rehetra ka ny valin'ny fifaninanana dia holazaina amin'ny 10 novambra 2008 any amin'ny lapam-panjakana eny Iavoloha ihany. Asa mety mbola hisy hosoratana ve?

Albert Rakoto Ratsimamanga: Tsy raharahan’ny fanjakana?

2008-01-03 @ 06:53 in Kolontsaina

Dia hihomehy angamba ianareo raha ilazako hoe ny tohiny indray no nivoaka talohan’ny fanombohana. Nefa dia izay indrindra no nitranga. Ity lahatsoratra (na ny marina kokoa ireto sary ireto) no tokony ho talohan’ny faran’ny taona teo (ny angolanao Ratsimamanga) fa noho ny fanadinoana dia niantsoromianotra ny fanehoana ny sary. 



Tamin’ny roa ora sy sasany mahery aho no tonga tao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina. Efa nandeha ny hira mahafinaritra ny mihaino azy indrindra fa ny zavamaneno tendrena. Mahafinaritra sy sofina aok’izany ny mandre feonkira vahiny tendrena amin’ny valiha sy ny korintsana ary ny ampongatapaka. Noho ny fandrosoana moa dia tsy maintsy niasa ihany ny vatamarolafy (synthetiseur ho an’ny mahay teny malagasy ihany) saingy noho ny fo efa babo angaha dia tsy nahita izay lesoka ny tena, sady tsy dia havanana loatra amin’ny mozika rahateo. Gaga aho fa nifandimby mitendry ny hirany ireo tarika roa samihafa nefa dia tsy nisy fanolorana mihitsy teny an-tenantenany teny. Hay moa ka…



Lasa ny fotoana maromaro, nandray fitenenana amin’izay ny mpanolotra namerina ny fiarabana. Dia natao moa ny fombam-piarahabana mahazatra ny malagasy ary dia niteny i Di Rahaingosoa hoe: anatin’ny fitenenana dia misy ihany koa ny fialan-tsiny. Efa dila ny 20 minitra nifanarahana ka dia tsy maintsy atomboka ny fotoana. Malahelo dia malahelo ny vady navelan-dRatsimamanga raha mahita ny havitsian’ny olona tonga. Nihevitra izy fa tsy nahavita ny adidy nankinina taminay izahay tamin’ny fanapariahana tany amin’ny fampahalalam-baovao isan-karazany ity fotoana izay tsy misy vidim-pidirana ity. Efa nitety ny haino aman-jery ihany nilaza, ary efa nandefasana filazana avokoa ny fiangonana rehetra hahamora ny fandrenesan’ny rehetra ny fisiany saingy tsy tratra ny kinendry. Mety ho ny fanomanan’ny olona ny fety ihany koa no mahatonga ny tsy firaikan’ny olona na noho ny orana tsotra izao (avy mitsitapitapy hatrany ny orana na dia tsy nivatravatra loatra aza).




Ny tena nampalahelo dia tsy nisy solontenam-panjakana tonga mihitsy tao na dia iray aza (tsy nisy na solontena aza). Olomangan’ny firenena anefa no tsarovana sady Malagasin’ny taonjato XX mihitsy aza saingy… maro aza ny firenena tsy mba manana olona atao maodely ka mindrana ny an’ny hafa fa isika Malagasy efa manana olomanga amin’ny sehatra misy azy avy tsirairay avy saingy…Dia lasa ny eritreritro (izaho mpanoratra) hoe efa nahita ihany aho tany anaty boky tany (Madagascar le duel?) hoe tamin’ny fotoana nahafaty an-dRatsimamanga dia ninia nijanona tany Parisy ihany ny filoham-pirenena tamin’izany fotoana izany satria taranaka Padesm izy raha mpitolona mafana fo tao amin’ny Mdrm kosa ity nodimandry. Fanahy iniany mihitsy ho voalevina ny razana vao nitody an-tanindrazana izy. Fa ny an’ny mpitondra ankehitriny kosa, inona ny kakainy tamin’ity Olomangam-pirenena ity? Sa ve hoe aleo ny lasa homba ny lasa fa ny hoavy ihany no banjinina?


Efa niteny ihany koa moa ny mpanolotra hoe tsy hitahita ihany koa ny haino amanjery mba hampitan-kafatra ho an’ny vahoaka tsy mandady harona. Nisinsy ihany aloha ny mpaka sary tao fa mpaka sary fankam-bola angamba no tena betsaka tamin’izy ireo. Nisy fa tena vitsy tokoa ny mpaka sary handrakotra ny fitantarana ny fihetsiketsehana natao. Izaho moa tsy nanana fakana lahatsary, nisy naka aloha tao, fa raha tsy izany fifaliambe ho ahy ny nanana ny zavatra tsy maintsy ho vitsy mpanana tahaka ny nakana iny fotoana iny.


Na izany aza dia maro ihany ireo olom-baventy fantatry ny olona nanatrika toa ny Pasitera Andriamanjato Richard, ny Jeneraly Désiré Phillipe Ramakavelo, Ranjivason Jean Theodore, Odette Rahaingoson, Nalisoa Ravalitera, Suzy Ramamonjisoa, Ratrema William, William Rabemananjara sy ny hafa mety ho tsy tadidiko.



N
y tohin-dresaka moa dia efa nosoratako tany amin’ny “Ny angolanao Ratsimamanga any”.


Fa rehefa nivoaka moa ka saiky haka sary somary lavidavitra kokoa ny anoloan’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena dia ny atsanga no tena nanaitra (ireny ranontany sy ny fako izay mety miaraka aminy ireny nokaohin’ny riaka avy any Ankadilalana ireny no atao hoe atsanga raha tsy diso aho). Asa be hatrany hay no miandry ny Kaominina isaky ny avy ny orana raha tahaka izao k’ty. Fa mbola tanatin’ny fety moa ka dia sahirana amin-javatra hafa ny mpiasa e! i Mahamasina sy ny manodidina azy ity aloha hitako tena olona foana isaky ny orana e!

 



nosoratan'i jentilisa tamin'ny 3 janoary 2007
Nisy moa ny nangataka ny momba an-dRatsimamanga, ataoko fa hanampy azy ireo ity lahatsoratra tao amin'ny madagate ity.

Nahatratra ny taona 2008: itantarako ianareo dia mba itantarao

2008-01-02 @ 07:50 in Andavanandro

Miarahaba anareo nahatratra ny taona 2008 ihany koa izany, hanome fanambinana anareo amin'ity taona vaovao ity anie Andriamanitra amin'ity taona diavintsika ity indray. Dia hotantaraiko anareo izany izay natao nanditra ny faran'ny taona sy ny andron'ny taombaovao e!

Vao marainan'ny 31 desambra dia efa nirotsaka madinidinika hatrany ny orana, tsy nahasakana ny olona teto Antananarivo tsy hiantsena izany toetr'andro izany noho ny fividianana ny kanokanona madinidinika. Dia tsy niomana ny hivoaka ny trano koa izahay tao an-trano fa heverina ho fandaniam-bola fotsiny izany fivoahana ny trano izany sady ny lalana rahateo petsapetsa mba tsy hilazana ny fotaka mety hitsahana handoto ny trano hidirana rahateo.

Dia tao an-trano izany no niandry ny ora hifampiarabana nahatratra ny taona e! Ny "karaoke" ihany no natao masaka ary tsy maintsy nandalo avokoa ny revin'ny sokajin'olona rehetra, hatramin'ny lehibe ka hatramin'ny zaza madinika... ny an'ny ankizy moa izany dia ny hira amin'ny teny frantsay no natao fa ireny no mba hain'ny ankizy. Eo no tena ahatsapana ny fahabangan'ny fanolokoloana amin'ny alalan'ny hira malagasy ny ankizy. Na dia mpandala faratampony ny teny malagasy aza dia noleferina ny hambompo sady mety hisy fiovana filamatra rahateo amin'ity resaka fitenenana ity afaka kelikely any. Ny nahafinaritra dia tsy nisy nijery fahitalavitra (nihoatra ny ora iray) izany mihitsy tamin'io fotoana io, no sady tsy misy hojerena loatra koa ny ao. Ny sarin'ny filoha mikabary ihany no miverimberina nefa ny mpanomana ny kabariny koa angamba tsy dia mahay loatra fa nahamonaina be izany ny nanaraka ny teniny. Tsy naheno izany fisondrotana  nolazainy izany no tsy ao anatin'ny vondron'asa iharan'ny fisondrotana ny tena. Impiry moa no nisy filazana izany fisondrotana izany fa ny anay tsy misy an'izany e! tsy miankina tsinona.

Rehefa nojeren'ny namana ihany koa ny fitsidihana ireny mpikarakara fety ireny dia nolazainy tamiko fa tsy dia betsaka ny olona tany. Heverina noho izany fa mety itovitovizana hataka ny anataonay avokoa ny nataon'ny ankamaroan'ny mponina teto Antananarivo. Mivory isam-pianakaviana dia manao izay hahametimety ny fetiny.

Dia mba tantarao hoe izay nataonareo?

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Janoary 2008 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox