Lesona inona no raisina eny an-tsena?

2021-06-03 @ 18:30 in Politika

Maka ny fon'ny olona eny an-tsena ny filoha teo aloha Ravalomanana. Amin'ny maha-politisiana azy dia mibaribary izany fa tsy misy afenina.



Azo heverina fa nisy ny naka tahaka saingy tsy nahazo olona araka izay noheverina, tsy nisy olona niraharaha akory aza. Misy lesona azo tsoahina amin'izany ve?



Misy antony matoa zavatra toy izany dia miteraka lohateny goavana ho an'ny gazety mpanohana ny fitondrana. Mbola tarafina hatrany izay ataon'ilay filoha teo aloha.

Mbola sahirana mitady vola ny olona fa mba manararaotra minitra vitsy ho fomba hanehoana izay any anaty any koa.

 

 

 

Ilay resaka tsy tonga volana tamin'ny kabary farany

2021-04-23 @ 20:27 in Politika

Izaho, noho ny safidy politika na noho ny fironana tsotra izao, dia tsy niandry ny kabarin'ny Filoha Mamim-bahoaka tamin'ny fahitalavitra, fa ninia niandry mihitsy ny fahavitany sy ny fanehoan-kevitry ny hafa aloha izay vao nanapa-kevitra ny hihaino, rehefa hitako hoe ilaina izany.

Nisy ary ireo fepetra isan-karazany, ary tao anatin'izany ny fanakatonana ny Fiangonana. Izaho manokana dia tsy resy lahatra amin'ny hoe akatona ny Fiangonana rehefa misy ny fepetra efa noraisina isorohana ny fiparitahan'ny aretina. Izay no antony tiako hihainoana ny kabary amin'izay.

Rehefa nihaino ilay izy tao amin'ny Facebook Live dia nandre fehezanteny iray tsy nisy tohiny ary henoko tsara manao hoe: "tsy maintsy atsahatra ny asam-panakorontanana amin'ny endriny rehetra". Ary dia tapaka hatreo tsy nisy tohiny io resaka io. Izay no anton'ny fanontaniako fa tsy mandehandeha foana izany filazana izany.


Ankehitriny, mazava ny antony ary niomanana ho andro alakamisy mivoaka zoma vao fantatra ny tian-kolazaina. Indreo ary ny tompon'andraikitra nanasonia ny tohin'ilay resaka, tsy nisy nilaza ankoatra ahy rehefa nijery ny randram-baovao matetika aho.

 

Io ary izy io: tsy ny arovava sy orona intsony no miasa fa ny fanampenam-bava tanteraka, satria misy mariny tsy zaka, misy fepetra voatery noraisina noho ny fitakian'ny olona, ary nisy Orina Mpanasoa an'ny Karana iray lasa nandray ny andraikitry ny governemanta. Dia hitsaha-ketrika hatreo ve ny fahalalaham-pitenenana?

Tsikeritra kely fotsiny, natao ho fanta-bahoaka ny zoma ny resaka satria fantatra fa ny asabotsy sy ny alahady dia tsy misy mahazo mivoaka ny eto amin'ny faritra Analamanga.

Nahoana no omena depiote roa isaky ny boriborintany ny ao Antananarivo Renivohitra?

2019-05-21 @ 17:12 in Politika

Tsy nahatadidy aho no sady tsy miraharaha izay niandohan'ny nanomezana depiote roa isaky ny boriborintany ny ao an-drenivohitra ao. Dia variana ihany koa aho hoe nomena tombony manokana ireo renivohi-paritany ka nomena depiote roa ihany koa, na dia vitsy mponina noho ny tanàna maro hafa aza. Misy zavatra hafahafa ao ambadik'izany raha ny fijeriko manokana ary izay rahateo no ampitaiko aminareo.


Faly ery ny mponin'Antananarivo hoe mba omena ny hanitra sahaza ho azy ka manana depiote 12 be izao ao amin'ny antenimieram-pirenena. Voamarika anefa fa mifamono ny isan'ny depiote raha antoko roa no mifaninana. Vokany: hifarana amin'ny samy mahazo depiote 6 ny roa tonta afa-tsy hoe ambany noho ny atsasaky ny vato azon'ny voalohany ny faharoa. Sarotra anefa ny hahazoana izany raha ny ao an-drenivohitra no heverina.


Fehin'izany: toy ny tsy manampeo ihany Antananarivo fa izay manana ny maro an'isa amin'ny ankapobeny ihany no hitana ny maro an'isa sy tompon'ny feo. Inona ny vahaolana manoloana izany? Tsy ho an'Antananarivo ihany no vahaolana fa ho an'ny tanàna rehetra. Aleo depiote iray isaky ny fari-pifidianana iray ihany no fidiana, ka raha 12 ny depiote omena an'Antananarivo dia ataovy fari-pifidianana 12 ny eto Antananarivo. Toy izany ihany koa amin'ireo tanàna hafa rehetra ka omena depiote mihoatra ny iray, dia mivoaka araka ny tokony ho izy ny safidim-bahoaka.


Mbola misy ny hevitra hafa na fanamarihana momba ny fifidianana depiote fa izay aloha no atolotra anareo anio.

 

 

Naninona no nokasaina hovaina ny lalampanorenana?

2019-05-19 @ 07:11 in Politika

Ireto no tsikaritro amin'ny Lalampanorenana ka nisy nilaza fa saika ovaina saingy notsipahin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny hanaovana referandaoma.


Andininy 151: Fidian'ny vahoaka mivantana ny Ben'ny tanàna sy ny mpanolotsaina

Andininy 154 -155: Fidiana ny Ben'ny Faritra sy ny Filankevitra. Mpikambana ao amin'ny filankevitra avy hatrany ny depiote sy ny senateran'ny faritra. 

Andininy 158 - 159: Fidiana ny Ben'ny Faritany, Fidiana toy izany ihany koa ny Filankevi-Paritany. Mpikambana ao amin'ny filankevitra avy hatrany ny depiote sy ny senateran'ny faritany.


Ireo andininy efatra farany no nokasaina ovaina araka ny tsilian-tsofina, saika hotendren'ny filoham-pirenena no nanoloana azy. Mbola miato iny fa mety hisy ny famerenana azy indray mandeha. Tsy fidian'ny vahoaka mivantana ireo olona ireo fa ny olom-boafidy hafa voafidy avy ao amin'ny andininy faha-151 (sy ny depiote sy senatera) no mifidy azy raha vakiana ny lalampanorenana.


Tsikaritra anefa fa tsy mahay mitrandraka ilay fikasana hanao referandaoma ny TIM, ny fonosin'ny fanovana dia ahafahana milaza hoe tsy mahazaka demaokrasia ny mpitondra amin'izao fotoana izao ka mila tsindrilentam-pahefana ary ny TIM irery ihany no afa-manao izany mba itoeran'ny fitondrana tsara tantana. 


Tsy niditra tamin'io mihitsy ny HVM satria fantany fa tsy misy raisina izy raha notanterahina ireo andininy efatra voalaza ireo, ary matahotra ny hampihatra azy ihany koa ny MAPAR-IRD noho ny finiavana hitondra samirery ny baolina sady tsy hahay hiraza ny fahefana araka ny voatondron'ny Lalampanorenana. Mbola mila fanazavana hafa indray ve?

Akombony ny vava! manaova raha mahavita!

2019-01-24 @ 05:40 in Politika

Afaka dimy taona indray manarina raha mbola hanao. Avelao hiasa aloha ny mpitondra fa vao manomboka ve dia efa kianinareo sahady. Izany indray no firesaka lasa faheno rehefa misy ireo lasa an'eritreritra mahita ny toe-javatra maro tsy araka ny tokony ho izy na lasa aloha loatra. Olombelona manana saina ihany ny tena, ary mbola tsy voasakana hiteny na hanoratra aloha na izany aza.


Vita iny ny fifidianana ho filoham-pirenena! raha ny tokony ho izy sy araka ny izy ny valiny dia tokony hangina tokoa ny resy, efa niarahaba ny mpandresy ny nifaninana taminy tamin'ny fihodinana faharoa... fa misy ny tsy hay ampanginina ary misy koa ny iniana ampanginina dia ny vato no hiantsoantso avy eo, ary nahavariana fa niantsoantso tokoa ny vato tamin'ny androm-pianianan'ny filoha vaovao ary nahafaty olona (ka mitondra ny fampiononana ho an'ireo niharam-boina).
Rehefa nahita ny fizotran'ny raharaha taty aoriana vao maro no tonga saina fa nolalaovina fotsiny nandritra ireny fifidianana indroa miantoana ireny. Sarimihetsika fotsiny no natao fa efa nisy ny nampandresena. Raha nanatsipalotra ny resaka tantaram-pirenena ny filohan'ny HCC tamin'ny voka-pifidianana fihodinana voalohany hoe misy ny tantara ofisialy ary misy ny tantara tena izy nafenina ny besinimaro, dia nisy ireo vaky vava ka nanao hoe nisy tokoa ny voka-pifidianana ofisialy fa misy ny voka-pifidianana tena izy tsy ilaina lazaina. 


Efa nampieritreritra ny famerimberenan'ny kandidà iray fa tsy maintsy izy no lany ho filoham-pirenena. Tena natoky tena fatratra ny lehilahy ary tsy nivena tamin'izany mihitsy, tsy azony noeritreretina na dia ny mieritreritra fotsiny hoe ahoana raha resy(?). Ny mpifaninana aminy no tadiavina hokianina raha miteny hoe hanaiky izay voka-pifidianana eo fa izy kosa nanodin-dresaka hatrany raha nanontaniana tamin'izany. Nanao izay handresena tamin'ny fomba rehetra izy ka dia nataony tokoa ny fomba rehetra handreseny.  


Nandritra ny fanentanam-pifidianana, nilaza ny kandidà filoha teo aloha Ratsiraka fa misy kandidà mampiditra fitaovam-piadiana mahery vaika eto Madagasikara. Vaovao mampatahotra izany saingy noheverina ho rediredin'antitra, ny zavamisy taty aoriana no nanamarina fa nisy tokoa ilay toe-javatra. Nanao valandreseka momba ny fiarovana (sy filaminana) ny kandidà iray. Nanaitra avy eo ny filoha mpisolo toerana fa misy kandidà mifaninana amin'ny fihodinana faharoa iray nampiditra fitaovam-piadiana mahery vaika, tsy fantatra hoe atao inona ireo fitaovam-piadiana ireo, Namaly bontana avy eo ny haino aman-jery omban-gazety izay mpanohana mavitrika ilay kandidà fa miditra amin'ny tsy tokony idirany i Rivo Rakotovao (ilay filoha mpisolo toerana), nolazaina fa mihoa-pahefana izy nanao izany fitenenana izany. Mariho mazava tsara fa tsy nitsipaka ny fisian'ny fampidirana fitaovam-piadiana mihitsy ireo fampahalalam-baovao ireo fa nitrerona ilay filoha hoe mitsabaka any amin'ny tsy anjara fahefany.


Tonga ny fotoam-pifidianana, niandry fatratra izay fomba amoahan'ny CENI ny vokatra aho ary mahafantatra avy hatrany fa tsy hiova intsony ny fironam-bokatra aorian'ny famoahany ny voka-pifidianana voalohany. Nomen'ny CENI tombony ambony dia ambony avy hatrany ny kandidà iray. Teo aho dia nahatsapa avy hatrany fa atao mandresy be ilay kandidà iray matoa atao 20% ny elanelana nisy teo amin'ny roa tonta. Nangataka ny fanamarinana ny vokatra ny natao resy, saika tsy noraharahiana tamin'ny voalohany fa nanao tamim-pihatsarambelatsihy ihany avy eo ny CENI sady nohamafisina fa tsy maintsy mamoaka hatrany ny vokatra eo am-pelatanany izy. Nitady fanamarinana ny sonian'ny mpifidy ny natao resy fa tsy nasiana tohiny intsony ny amin'izany. Voatery nanao hetsika hitakiana ny marina tetsy amin'ny kianjan'ny 13 mey ny natao resy. Tsy nokitihina loatra ireo talohan'ny faran'ny taona raha nanao izany hetsika izany, fa nofaizina mafy amin'izay taorian'ny taombaovao. Niaiky ny mpitolona fa misy karazany hafa mihitsy sady mahery vaika ny baomba mandatsa-dranomaso nampiasaina tamin'izany fotoana izany. Niandry ny rariny avy amin'ny HCC sisa no natao.


Vao nanomboka kelikely indray ny kabary lava tao amin'ny HCC dia hita fa fandaniam-potoana fotsiny sisa no natao fa tsy nisy nekena ny fitoriana rehetra natao tamin'izany. Midika hafatra mazava dia mazava ny vokatra navoakan'ny HCC amin'ny tsy fiovan'ny isanjato azon'ny mpandresy sy ny resy na dia hafa aza ny isa nivoaka avy ao, fa aleo ny tsirairay no samy hanana izay any an'eritreriny any. Nisy nilaza manko fa rava tanteraka ny fifidianana raha vao misy iray monja nekena tamin'ny fitoriana natao tamin'izany fotoana izany, ka izay no antony nitsipahana azy rehetra. Dia teraka teo ilay hoe misy ny vokatra ofisialy fa tsy hay kosa hoe nanao ahoana ny tokony ho vokatra tena izy. Ny niavaka tamin'ity fotoana ity dia ny nandrenesan'ny maro fa toa nanao vava tsy ambina tamin'ny natao resy ny filohan'ny HCC fa tsy Antananarivo irery no Madagasikara, ary raha niarahaba tanana ny mpandresy ry zareo dia toa notodihana tsy ho hita kosa ilay natao resy, toy ireny olona mamaly faty ireny ny fihetsika tamin'izany fotoana izany.


Zavatra iray tsikaritra dia ny tsy nahatongavan'ny tarika iray manontolo avy amin'ny nampandresena nandritra ny fiarahabana nahatratra ny taona teny Iavoloha, toy ireny valifaty tamin'ny nahasahiana niteny ny fampidirana fitaovam-piadiana mahery vaika ireny. Lanonana tsotra izany, fa tsy tonga nanatrika na dia ny praiminisitra aza satria lazaina fa avy amin'ny tariky ny mpandresy izy. Toy ny resaka fiavonavonana no fandraisana izany fihetsika iray andro talohan'ny famoaham-bokatra ofisialy avy amin'ny HCC izany, nefa mety ho filazana ihany koa fa tsy hisangisangy intsony ry zareo.


Tonga ihany ny andro fianianana, hahatonga azy ho filoham-pirenena afa-miasa ara-dalàna. Eo vao vaka ny saina. Toy ny ravindravina fotsiny ny fanakianana ny "crise Cadillac" amin'izato fiara maharo tsara ny filoham-pirenena. Sambany nisy matso miaramila natao nandritra ny androm-pianianana, nefa toa fampisehoana fiara tsy laitram-bala karazany vaovao sady mitondra fitaovam-piadiana mpanao tifitra variraraka nolazaina fa natolotry ny filoham-pirenena vaovao ny tafika. Ny mpijery variana hoe tamin'ny oviana no tonga teto an-toerana ireo zavatra voatonona ireo? Tsy ho latsaky ny iray volana velively araka ny tombana fa farafahakeliny telo volana no nikarakarana ireo zavatra ireo ka nahatonga avy hatrany ny eritreritra hoe efa niomana ny handresy tokoa izy fa raha sanatria natao resy dia tsy fantatra intsony izay ho nanaovana ireo fiara mbola tsy nananan'ny tafika malagasy ireo. Hay ve ireo izany ilay hoe fitaovam-piadiana matanjaka nampidirina teto amin'ny tanàna raha mbola tsy notontosaina akory ny fihodinana faharoa tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena.


Nanomboka tamin'io fotoana io no niaiky ny mpanara-maso ny amin'ny antony naneken'ny natao ho resy ny fahareseny, fa aleo resy tsy misy fandripaham-bahoaka toy izay nandresy tao anatin'ny ra latsaka nefa ho tratran'ny hery tsy mitovy, dia ampangaina amin'izay fotoana izay fa mpampisara-bazana sy lian-drà, ka ho lasa tany miady i Madagasikara. Poa poa, soa fa tsy nisy izany ary noderain'ny maro ny fihetsiky ny filoha teo aloha natao resy, noderain'ny mpanohana azy izy indrindra indrindra.


Hevitr'olona iray hafa indray ity avoakako etoana ity, izay tsy mifanalavitra amin'izay nolazaiko: Rehefa nandinika ny fihetsiketsehana rehetra nisy tamin’ny fikarakarana ny fifidianana sy famoahana ny vokatra ceni sy hcc ary tamin’ny lanonana ny Asabotsy teo dia resy lahatra fa sarimihetsika daholo no natao. Efa voaomana daholo ireny vatravatran’ireo filohan'ny ceni sy hcc, ny fanenjehana ny hetsika teo amin’ny 13-mai, ny fampiasana ireo fitaovam-pamoretana samihafa toy ny bianco, emmoreg, fitoriana eny amin'ny fitsarana ireo mpitarika, fanomezana ist ny tompon'ny orinasan-tserasera mavitrika tamin'ny tolona (sady heverina ho mpifaninana atahorana amin'ny manaraka, hoy aho),,,, hanerena sy ampitahorana ireo manelingelina; ny fanendrena an-dramatoa grand chancelier maimaika teo tsy manara-dalana, ny famerenana ilay praiminisitra nikarakara ny fifidianana ho praiminisitra indray, ny fanendrena safiotra ho talen’ny kabinetra sivily ao amin’ny fiadidina ny Repoblika... Izany rehetra izany dia mampieritreritra hoe misy fahefana goavana mifehy ireo olona sy rafitra rehetra ireo. 


Fa ahitana ny fihevitr'olona hafa ihany koa mahazo izay mamoaka ireo karazan-kevitra voatanisako eo ambony ireo. Santionany ny lohateny sy ny fanombohan'ny lahatsoratra. Misy ihany koa ny hevitra hafa toy ny hoe misotroa "jus de papaye", mandehana mifindra any Comores rehefa tsy mety aminao ilay fitondrana eto. Misy izany isika Malagasy dia miseho ho manampahaizana sy mahay mandalina amin'ny seho samihafa ary miseho ho mahalala ny marina rehetra, nefa ny ankamaroan'izy ireny tsy mahay mampivoatra ny ao an-tokotaniny akory. Aza mitsara mba tsy hotsaraina e, izay aloha ny zavamisy dia atrehina. Ny mpanenjika "toujours" afara. Dia maninona e! Ahoanao inona ny omby maty fa ny hena hanina! Ianareo sy mpialona sy mpanenjika any aoriana no misy anareo. Satria heverinareo fa mitovy aminareo daholo ny olona dia rehefa tsy lany ianareo dia fanakorontanana no ao an-doha. Fa izy raha nanambola dia vonona ny hanome maimaimpoana sy hanampy ny gasy. Ovay ilay toe-tsaina fa izay no tsy mampandroso. Inona koa no iasanareo saina amin'izany e, itony koa mahita tsikeraina foana. Vendrana ny advà dia tahaka ny hoe izy no mafy be. Tsy ho ary voatanisa intsony ireny fa fampahatsiahiavana any aoriana any angamba ireo voalaza ireo.

Ireo nasongadiko taorian'ny valim-pifidianana ofisialy

2019-01-11 @ 02:50 in Politika

Tatitry ny fihaonan-dRavalomanana tamin'ny Fianakaviambe iraisampirenena

Teo am-pihainoana ny "tsy mitombina ka lavina ny fitoriana..." tao amin'ny HCC

Fihetseham-po voalohany teo am-pandrenesana izay nandresy

Fihetseham-po manaraka

Tsikaritra

Misy vitsivitsy maromaro nitovy hevitra tamiko tamin'ity filazana ity

Fandalovan'ny mpandresy tamin'ny fifidianana teo amin'ny kianjan'ny 13 mey. Toy ny efa nahanfantatra hatry ny ela izay nolaniana ho filoha ny mpitandro ny filaminana raha noezahina tsy hahazo miditra teo ny mpitaky ny ivoahan'ny fahamarinana.

Fihetsika voalohany nataon'ny Minisitry ny Atitany MAPAR rehefa re fa nolanian'ny HCC ho filoha ny kandidà Andry Rajoelina

Ny fanambaràn'ny mpandrindra nasionalin'ny fampandaniana ny filoha Ravalomanana

Ny fanambaràn'ny Filoha Ravalomanana

Ilay fomba fiteny nampiady hevitra avy amin'ny mpanao gazetin'ny VIVA

Ny afak'ampitson'ny fanambaràn'ny HCC

Ny nosoratako taorian'ny fahafantarana fisian'ny fanambaràna nataon-dRavalomanana

Fomba fijerin'olona iray ny antony hanohanany an-dRavalomanana

Natao ho tahirin'ny tantara ny tanjon'izao lahatsoratra izao voalohany. Vao avy nanoratra iray hafa aho teo.

Mazava ny antom-panakanana ny "écran genant"

2019-01-10 @ 18:52 in Politika

Efa re sy hitan'ny besinimaro ny vokatra navoakan'ny HCC fa mitovy tsara amin'ny isanjato navoakan'ny CENI ihany na dia tsy mitovy aza ny isan'ny vato nolazaina. Efa re sy hitan'ny besinimaro fa Rajoelina Andry Nirina no natao nandresy ary efa niarahaba azy tamin'ny alalan'ny Fair-Play ny resy tamin'io fotoana io dia ny Filoha teo aloha Ravalomanana Marc. 
Mariho tsara fa hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany Atoa Ravalomanana Marc sy ny mpanohana azy no nitazona izany Fair-Play izany araka izay azony natao ary ny fijeriko kosa no milaza fa tsy nanao izany hatramin'ny voalohany kosa ny kandidà nandresy fa nikiribiby hatrany amin'ny filazana fa "tsy maintsy izy no mandresy". Midika izany amin'ny mpanoratra fa tsy maintsy atao mandresy amin'ny fomba rehetra ilay mpifaninana, na dia tsy mety na tsy mendrika aza ny nanaovana izany. 


Ohatra niharihary indrindra, ny bileta tsy nahitana laharana no midika fa efa ela no nanomanana ilay hosoka ary hatrany anivon'ny CENI, tamin'ny fandrafetana ny endriky ny biletà, no nanaovana izany. Tsy vitavitaina fotsiny ho fanadinoana io toe-javatra io na hoe manjary "tsy secret" intsony ny safidy fa efa miharihary tamin'ireo mpitaky ny marina ny tanjona tao ambadika. Nihazakazahana navoaka ny valim-pifidianana na dia tsy mazava tamin'ny mpanara-baovao aza hoe avy aiza daholo ireo safidy nampidirina ireo. Fihazakazahana fampandresena ny lah-13 no natao ary tsy nasiana fihatsarambelatsihy mihitsy, nisy aza sary nahitana ny filohan'ny CENI niara-nampakatra vera tamin'ny kandidà nampandreseny rehefa navoaka ilay vokatra vonjimaika.


Dingana faharoa sady farany avy eo ny fanakanana araka izay azo atao ny famoahana ho hitam-bahoaka (etsy amin'ny kianjan'ny 13 mey) ireo hosoka sy halatra natao tany amin'ny faritany, indrindra ny tany amin'ireo faritra lavitra andriana izay nahazoana tombom-bato 600.000 mahery avy amin'ny biraom-pifidianana miisa 5452 (lasa tsy tadidiko tampoka fa mety ho 5254 ilay izy) ho an'ny mpandresy tamin'ny taham-pandraisana anjara mihoatra noho ny isan'ny mpifidy nisoratra anarana aza indraindray. Ny elanelam-bato manodidina ny 110 ka hatramin'ny 115 tamin'ireo biraom-pifidianana manokana ireo dia efa ahazoana io isa 600.000 io. Ny tsy amoahana ireo porofo ho hitan'ny besinimaro ka manjary manelingelina ny famoahan'ny HCC ilay fampandresena hitsindalana no antony nanakanana araka izay tratra ilay tolona mitaky ny fahamarinam-bato ary nitsipahana ireo fitoriana rehetra sy ireo fangatahana fanafoanam-bato rehetra. Efa tetika maty paika voaomana hatry ny ela sady goavana ka tsy tratran'ny lalàna intsony fa dia toy ny azo atao ho ara-dalàna, satria eo amin'ny fifidianana dia izay avoakan'ny fitsarana ihany no marina... 


Tsy maintsy nanao dia miantsoro-mianoatra kely isika, hitodika kely tany amin'ny talohan'ny valim-pifidianana ofisialy mialoha ny mety amoahako ireo fihetsem-poko tany amin'ny media sosialy ho tsiaron'ny tantara amin'izay hevitry ny "nanohana ny  resy".

Miankina manontolo amin'ny HCC ny hoavin'ny firenena

2019-01-07 @ 18:29 in Politika

Lazaina fa rahampitso talata (gorobaka) no havoakan'ny HCC amin'ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana fihodinana faharoa. Voka-pifidianana tsy azo ivalozana eo amin'ny sehatry ny lalàna no vokany. Vokatra mampisy fanaintainana indrindra satria izay avoakany eo no tokony ho ekena. Tokony, nefa toa hiteraka krizy hatrany izay avoakany eo.

 
Raha hamafisina ny valiny avy amin'ny CENI izay vao nanambara indrindra ny filohany fa tsy nisy fifidianana madio tahaka ny farany teo tamin'ny tantaran'ny fifidianana teto Madagasikara hatramin'izay, dia tsy hanaiky ny efa nodradradradrainy ho hosoka sy halabato bevata ny mpanohana ny K25, nefa ho tratran'ny hery tsy mitovy, atody miady amim-bato, ka ho likiliky mandritra ny fiainana no sisa ho entiny, ary hieritreritra fa vita hatreo ny amin'izany Madagasikara izany fa dia ny hidi-trano sisa atao mafy raha mbola haharo ihany koa. Ny ankizy sisa no tezaina araka izay azo atao. Satria mihevitra ry zareo fa ho halatra sy gaboraraka no hanjaka. Ny tody sisa no atahorana hanakana amin'ny fanaovan-dratsy rehefa mieritreritra fa hihatra any amin'ny taranaka (manomboka eo amin'ny zanaka) ny fivarotan-tanindrazana sy ny fanambakàna. 


Raha hotsipahina kosa ny vokatra navoakan'ny HCC na ho fanemorana izany na ho fanondroana ny mpifanandrina ho mpandresy kosa dia tsy hanaiky ny efa nihevi-tena ho nandresy ary tsy ho ataony ho vita moramora izany, Manana ny hery hanakorontanana sy hanerena ny hafa izy ary tsy ho azo visavisaina ny zavatra mety ho vitany, Efa misy dikany ny tsy fahatongavan'ny Praiminisitra sy ny minisitra avy amin'ny Mapar ary ny kandidàny tamin'ny lanonana fifampiarahaban'ny filoha natao teny Iavoloha androany, Efa fihaikana ireny ilazana fa afa-mandray ny fahefana ry zareo. Efa mazava eo amin'ny andaniny rahateo fa dian-tanandry zareo ny fanakanana ny tolon'ireo mitaky valim-pifidianana marina ialàn'ny hosoka.


Fehiny: fomba fijery ihany no mametraka fa na ho inona na ho inona dia tafiditra krizy hatrany i Madagasikara. Famahana olana vonjimaika fa hiteraka voka-dratsy tanteraka eo amin'ny hoavin'i Madagasikara ny fanamafisana ny vokatra avy amin'ny CENI. Ahiana hiteraka korontana izay tsy ho fanta-piafarana kosa ny ankoatra izay... ary mety hiteraka ady an-trano raha tsy voafehin'ny filoha vonjimaika avy hatrany ny mpitandro ny filaminana sy ny tafika, tsy hita anefa izany mety ahafahana mifehy ny tafika avy amin'ny filoha izany hatramin'ny mason'andro androany. Fomba fijery mialoha ny voka-pifidianana ihany izany...   

Baraingo tanteraka ny vokatra avoakan'ny CENI

2018-12-21 @ 23:38 in Politika

Raha lazaina amin'ny fomba hafa dia toy ny hoe "mana avy any an-danitra" izany ilay vokatra nasionaly. Raha mba manao izany kajy na matematika izany ianao dia miainga avy amin'ny zavatra mifangaroharo be ihany, mety ho lava dia lava, toa ratsy jerena, toa sarotra ny hamaha azy, saingy misy ny fitsipika matematika dia tsorina sy vahana olana tsikelikely. Izay voavaha ny olana dia efa mazava tsara ary itokiana ny fahamarinany. Dia mizotra tsimoramora mankany amin'ny valiny farany lasa tarehimarika tsotra maharesy lahatra ny rehetra ka ekeny rehefa hitan'ny rehetra ny dingana namahana azy tsikelikely. 


Fa mba manao ahoana kosa ny vokatra avy ao amin'ny CENI? Tsy misy famahana sy fanatsorana hitan'ny rehetra eny an-dalana, izany hoe tsy misy manambatambatra miainga avy amin'ny Biraom-pifidianana tsirairay avy dia mivoaka etsy amin'ny farany ny vokatra farany fa lazaina fotsiny hoe ireto ny laza adina vahàna ny olana ao aminy, dia mandray milina fikajiana ianao (machine à calculer) dia Tadada... DAM= io ny vokatra nasionaly ry zareo. Koa raha izany ihany ve tsy vao tonga ny ampitson'ny andron'ny fifidianana dia efa hitan'ny rehetra avy hatrany ny voka-pifidianana feno? Fa mody lalaovina toy ny hoe miasa mafy nefa ny bokotra tsindriana mety mampiseho fotsiny hoe ity indray ny tarehimarika avoaka mba handemena ireo tsy nifidy ny olona tiana am-pandresena.


(Ny tohin'ny resako eto dia avy tao amin'ny fanehoan-kevitra navoakako Facebook raha sanatria misy tsy azonao ny fanjohin-kevitro)Tsy mazava mihitsy ny fomba fiasa ao amin'ny SRMV sy ny CENI. Ny mangarahara tokony ho an'ny daholobe. Raha mahatadidy ianao, ny fanao tao amin'ny RNM tamin'ny fanisa taloha dia nisy ny isaky ny fivondronana aloha, dia atambatra faritany ary farany vao ny manerana an'i Madagasikara. Inona anefa no hita ao amin'ny Ceni? Tonga dia vokatra nasionaly.


Raha misy ny fitomboan'isan'ny BV nasionaly dia tokony homarihana mazava tsara hoe ireto avy ny BV nampidirina mahatonga io isa io, izany hoe tokony hazava tsara ny historiques rehetra. Dia samy mikajy any an-tranony any ny tsirairay. Tsy misy afa-tsy izay no ahafahana mandresy lahatra ny olona hoe marina tokoa io vokatra nasionaly io.

Samy misy ny faritra nandreseny ka raha tiana hangarahara tsy mahita afa-tsy izay voalazako izay aho ahitana ny marina, saingy moa ve izany no tanterahana? Ahoana ny tena fizotran'ny asa?


Amiko hatramin'izao dia soratsoratana fotsiny handemen-tsaina ny vokatra nasionaly avoakan'ny CENI. Mila tamberin'andraikitra mazava tsara aho.


Valiny nomena ahy ny hoe tongava aty amin'ny CENI, mitondrà karapanondro dia mijery ny fandehan-javatra ao, novaliako tamin'izany hoe raha any Antsiranana, na Mahajanga, na Farafangana ilay olona dia ahoana? Efa andron'ny aterineto ihany koa isika izao, afaka mikajy any an-tranony daholo ny olon-drehetra haharesy lahatra azy fa marina tokoa ny vokatra ao amin'ny CENI... Fa hanao izany ve izy? 


Tsotra ny fitakiana: Ataovy mangarahara ho hitan'ny rehetra ny fizotran'ny manampy sy manala ao amin'ny vokatra asehonareo tsikelikely, dia hanaiky resy tsy misy adihevitra ny resy fa rehefa tsy misy mangarahara eo dia aza lazaina ho mpanakorontana ny olona mitaky izany fa na ianareo no efa mikorontana fa tsy zakanareo ilay fanaovana ny asa, na misy zavatra afenina mafy satria ampandresena fotsiny izao izay... (aleo tsy tohizana fandrao lazaina ho manendrikendrika)

 

 

Atao mandresy Rajoelina

2018-12-20 @ 10:28 in Politika

Ninia aho ny tsy nanoratra nandritra ny fihodinana faharoa, nidina teny an-kianja ary nanentana ny olona hifidy ny #25 na Marc Ravalomanana. Mbola nanantena ihany aho fa hitandro ny fahamarinana sy tsy hanaiky hilefitra intsony manoloana ny fanitsakitsahana ny lalàna nitranga tamin'ny fihodinana voalohany ny tompon'andraiki-panjakana tamin'ity fihodinana faharoa ity. Saingy indrisy moa...


Tamin'ny fihodinana voalohany, ny tatitra navoakan'ny vahiny mpanaramaso ny fifidianana nilaza ny andro sy ny toerana nanaovan'ny sasany fizaràm-bola, izay tokony miteraka fanintsanana avy hatrany ilay kandidà, raha tena ampiharina tokoa ny lalàna, saingy tsy natao izany satria matanjaka sy manana hery (izay mety ho afaka ny mitam-piadiana) mihitsy aza dia naleony nitandro ny filaminana ihany ary mba asiana kosa ny fihodinana faharoa. Nisafidy ny fitoniana ambony afo mahamay ny fahefana mpitsara teo amin'ny sehatry ny fifidianana. Ny voka-pifidianana nataony anefa hanao randra-tarihana amin'izay mety ho fanapahan-kevitra ara-pitsarana rehetra, indrindra fa eo amin'ny sehatry ny fifidianana, manaraka rehetra eo. Vao maika nahazo vahana ny "mpividy olona" na tsy nanao fampielezan-kevitra mavitrika intsony aza... satria olona efa voavidiny moa ho afaka hankaiza intsony.


Tonga ny fihodinana faharoa, nitombo ny hadalàna nataon'ny sasany, nisy ireo vatom-pifidianana tena izy tratra tany amin'ny toerana tsy tokony hisy azy velively. Nalaza tamin'izany ny tao Ambohipo. Nisy ireo olona nasaina nangala-bato nitolo-batana tany amin'ny kandidà nifaninana sy nanambàra fa nasaina nitety biraom-pifidianana nitondra kara-pifidianana sy kara-panondro izay tsy azy ireo. Nisy ny fijoroana vavolombelona nataon'ny lehiben'ny distrika roa (araka ny skyone) nilaza fa noteren'ny lehibeny tsy maintsy hampandany ny #13 na Andry Rajoelina. Raha tsy diso aho dia ny minisitry ny atitany izany lehibeny izany. Io minisitra io ihany no re fa nampanao karapanondro miisa 500.000 tao amin'ny tranompiritim-pirenena. Ny CENI re fa nampanao kara-pifidianana miisa 12.000.000 nefa ny mpifidy latsaky ny 10.000.000, atao inona izany ny 2.000.000 fanampiny.


Tety ankilany, nisy ny artista sady depiote nanao karazana ramatahora tamin'ny fitsidihana biraom-pifidianana maro tao an-drenivohitra tao. Maro ny tranga tokony ho azo tantaraina, izay tokony ho porofo fa tena tsy mety mihitsy ilay fanapahan-kevitra mbola nampifaninana olona tokony ho efa nahintsana. Na amin'ny fanatanjahantena' toy ny vikiina in-telo miantoana, na ny vikin-dava ohatra, dia misy ny tsipika tsy azo itsahan'ny atleta intsony rehefa mitsambikina izy satria tsy madio intsony ny lalao raha ekena ny vokatr'iny vikina nanitsaka ilay tsipika tsy azo itsahina iny. Hiharihary fa ho lasan'iny atleta nanitsaka ny tsy fanitsaka iny ny amboara rehefa tsy notsofina tamin'ny fahadisoana nataony izy, saingy tsy hanaiky izany ny fitsarana tsy miangatra raha vao mahita ny tsi-fanarahan-dalàna izy amin'ny ankapobeny, ary foana avy hatrany ny halavitana vitany. Fa tsy mba toy izany kosa ny fomba fitsarana (fifidianana) teto amintsika tamin'ny fihodinana voalohany.  Vokany lasa mahazo vahana tanteraka ny mpandika lalàna ary tsy menatra ny miteny fa tsy maintsy izy no mandresy. 


Takaitra tsy ho afaka eo amin'ny taranaka malagasy intsony ny vokatr'izany rehetra izany, ary efa tsy madio intsony ny lalao... izay efa tsy nadio hatramin'ny fihodinana voalohany. Araraotina ny fanontaniana izay tsy nahasahian-dRajoelina novaliana hoe hanaiky ny voka-pifidianana avoakan'ny HCC ve, tamin'ilay fihaonan'ny roa tonta tamin'ny fandaharana manokana ho eny Iavoloha raha nanaiky tanteraka kosa Ravalomanana. Dia tonga amin'ilay tsoa-kevitra hoe aleo atao mandresy ilay mahavita manakorotana ny firenena fa tsy hanaiky ho resy izany mihitsy sady ilay mety ho mandresy efa manaiky resy rehefa izay no avoakan'ny fitsarana sady tsy mahay manakorontana ny mpanaraka azy. Fehin'izany rehetra izany no nahatonga ny lohatenin'ity lahatsoratra bilaogy ity hoe "Atao Mandresy Rajoelina".

 

 

Antontanisan'ny CENI mialoha ny famoahany ny vokatra farany 17 novambra 2018 + fanazavana

2018-11-17 @ 12:41 in Politika

Araka ny fangatahan'ny maro tany amin'ny tambajotran-tserasera dia avoakako eto ihany ireo vokatra nangonina, ary ny pejy Facebok an'ny CENI Madagascar ihany no nakako ireo lahatahiry ireo mba tsy isian'ny fitongilanana.


Ny fafana (tabilao) roa voalohany no ahitantsika ireo "vokatra farany" navoakan'ny CENI. 

Jereo fa hatrany ambany ny daty:

Ny fafana roa farany kosa no nampidirako ny elanelan'isan'ny biraom-pifidianana, isan'ny mpifidy , vato manankery ary ny isanjato azon'ny tsirairay tamin'ireo vato nampidirina, izany hoe nisy ny fifanalana nataoko dia io no vokatra. samy afaka mieritreritra sy mamakafaka daholo amin'izay isika avy eo.

Toy ny fanaon'ny bilaogy no nataoko, izany hoe ny nivoaka farany no mipoitra eny ambony indrindra

fanazavana:

Mahita isika fa Excel ny tabilao nampiasaintsika. Ny fafana roa voalohany dia ireo navoakan'ny CENI, ahitana ny daty sy ny ora, voasoratra ihany koa ny isan'ny biraom-pifidianana, ny isan'ny nisoratra anarana ary ny isan'ny vato manankery. Nasiana loko amin'izay ny vato azon'ny kandidà telo voalohany. 

Ny asehon'ny tabilao roa farany kosa dia ny elanelan'isan'ireo BV sy ny voasoratra anarana sy ny vato manankery ary ny vato azon'ny kandidà tsirairay avy. Jereo fa mitovy tsara ny isa rehetra ambany indrindra eo amin'ny tabilao faharoa sy fahaefatra satria eo no miainga ny fanisana ny elanelam-birao sy vato hafa rehetra. Ohatra: ny isan'ny BV ambany indrindra amin'ny faharoa sy ny fahaefatra dia 358.

Jereo indray ny alohan'ny farany amin'ny isan'ny BV amin'ny tabilao faharoa fa manondro 490, ny isan'ny BV amin'ny alohan'ny farany amin'ny BV amin'ny tabilao fahaefatra kosa dia manondro 132, dia mariho ary fa ny 358+132=490. Ny CENI manonona ny "vokatra farany (8/11/2018 amin'ny 20h59) ny tabilao kosa mikajy hoe raha 490 ny isan'ny BV dia firy izany ny isan'ny BV nampidirina tanelanelan'ny tamin'ny 17h22 sy 20h59? dia atao ny kajy 490-358=132, izany hoe 132 ny isan'ny BV nampidirina ka nahafeno ny 490 tononin'ny CENI, resaka elanelan'ny BV izany no asehon'ny tabilao fahatelo sy fahaefatra.

Ny tabilao voalohany milahatra amin'ny tabilao fahatelo ary ny tabilao faharoa miaraka amin'ny tabilao fahaefatra.
Manaraka: Eo amin'ny tabilao fahaefatra izany isika mahita fa nanampiana vato 13 726 i Andry Rajoelina raha nanampiana vato 12 087 kosa i Marc Ravalomanana, ireo notononina ireo miampy ny andalana ambany indrindra izay 35 950 ny an'i Andry Rajoelina ary 33 292 ny an'i Marc Ravalomanana  izay manome hoe (13) 35 950+.13 726= 49 676 izay hitantsika alohan'ny ambany indrindra eo amin'ny tabilao faharoa ary ny (25) 33 292+12 087= 45 379 hitantsika eo amin'ny tabilao faharoa ihany.

Dia miverina tamin'ny tabilao fahaefatra farany indray aho, Eo amin'ny andry telo farany havanana isika mahita hoe s.%13 izany hoe raha natao kajy manokana ilay andalana alohan'ny farany dia hevero toy ny hoe bolongana iray ilay alohan'ny farany fa ny ampaham-bato azon'ny (13) izany dia 45% raha 39,76% kosa ny azon'i (25). Mody atao hoe (fa tsy izay ilay izy) tanàna roa samihafa izany ilay eo ambany indrindra sy ny alohan'ny farany io, ka 44% sy 45% no azon'i (13) tamin'ireo tanàna ireo... dia toy izany hatrany avy eo, mandra-piakatra any ambony.

Fehiny: ny tabilao roa voalohany dia fitambaran'isa fa ny fahatelo sy fahaefatra kosa dia ny isa nanampiana nahatonga ilay fitambaran'isa amin'ny roa voalohany. Tsy haiko na azonareo ny resaka na tsia aloha?

 

Mazotoa daholo.

 

 

Mba fantatrao ve? CENI sy ny fampidiram-bato ny kandidà

2018-11-17 @ 02:42 in Politika

Nandany andro aho nanao antontanisan'ny fampidiran'ny CENI ny vaton'ny kandidà anankitelo voalohany hatramin'ny andron'ny 16 novambra 2018.  Elanelam-potoana 46 no nanaovana ny jery antontanisa tanelanelan'ny 8 novambra tamin'ny 17 ora 22 ka hatramin'ny 16 novambra tamin'ny 19 ora katroka. Mampieritreritra ny tsikaritra avy amin'izany. Mariho anefa fa avy amin'ny vokatra ankapobeny avy amin'ny CENI ihany no nanaovako io famakafakana io. Ataoko karazana fanontaniana kely ary ireo tsikaritro tamin'izany:

Fantatrao ve fa tamin'ireo fampidirana ny VATO VAOVAO dia indray mandeha ihany ny kandidà laharana faha-25 no nampidirana isambato 50% mihoatra? Tamin'ny 11 novambra 2018 tamin'ny 23ora 59 minitra irery ihany izany tranga izany (tamin'ny 11 nov tamin'ny 21 ora 20 min kosa ny fotoana fiaingana tamin'izany).  Isan'ny biraom-pifidianana nampidirina 375, isan'ny voasoratra anarana 164 337, isan'ny vato manankery 87 956, vato azon'i ANR 25 924 (29%), vato azon'i MR 47 786 (54,33%), ary vato azon'i RRHM 3480 (3,96%). Eritreritra tsotra be avy aty amiko no toy ny manambara raha io tsikaritra io fa 2,2% (01/46) tamin'ny biraom-pifidianana manerana an'i Madagasikara ihany no nahazoan'i Marc Ravalomanana 50% na mihoatra izay tsy marina velively. 

Mariho ihany koa anefa fa tamin'io fotoana io irery ihany koa no nampidirana ny vaton'i Andry Rajoelina voaisa ka latsaky ny 30% ny azony, ny sisan'izay dia 30% mihoatra avokoa. Dia miverina ihany amin'ilay tsoa-kevitra etsy ambony aho hoe tsy azo inoana velively kosa raha 2,2% tamin'ny biraom-pifidianana manerana an'i Madagasikara ihany no nahazoan'i ANR latsaky ny 30%. 

Fantatrao ve fa indray mandeha irery ihany koa ny kandidà laharana faha-13 no nampidirana isambato 50% na mihoatra? Tamin'ny 15 novambra 2018 tamin'ny 8 ora sy 2 min irery ihany izany fotoana izany (tamin'ny 15 novambra 2018 tamin'ny 7 ora sy 6 min ny namoahan'ny CENI ny vokatra talohany noraisiko). Isan'ny biraom-pifidianana nampidirina 142, isan'ny voasoratra anarana 57 256, isan'ny vato manankery 25 479, vato azon'i ANR 12 678 (50%), vato azon'i MR 4 774 (18,74%), vato azon'i RRHM 2 917 (11,45%). Toy ny midika izany fa 2,2% amin'ny biraom-pifidianana rehetra manerana an'i Madagasikara irery ihany no nahazoan'i ANR ny atsasa-manilan'ny vato manankery izay sarotra inoana. Toy ny efa kinendry avy amin'ity tsikaritra ity fa sarotra dia sarotra ho azy ny hahazo izany 50% izany na dia mety hanakaiky io isanjato io aza ny azony manerana an'i Madagasikara. Izany hoe tsy azo eritreretina velively ny tsy isian'ny fihodinana faharoa.  

Fantatrao ve fa mihoatra ny atsasamanilan'ny (52,2%) fampidirana ny vaton'i ANR nataon'ny CENI no nahazoany isanjato anelanelan'ny 40% ka hatramin'ny 49%? Latsaky ny ampahadimy na 19,56% kosa tamin'ny nampidirin'ny CENI ho an'i MR no tranga nisian'izany isambato anelanelan'ny 40% ka hatramin'ny 49% izany.

 Fantatrao ve fa  41,30% ny isanjato nampidiran'ny CENI vato manelanelana ny 30% ka hatramin'ny 39% ho an'i ANR, raha 47,82% kosa ny fotoana nampidiran'ny CENI vato anelanelan'ny 30% ka hatramin'ny 39% voalaza etsy ambony ho an'i MR.

Fehiny, tsy mahagaga raha miahiahy amin'ny vokatra avoakan'ny CENI avokoa ny kandidà rehetra rehefa mahita ny fivoahan'ny vokatra tsikelikely. Efa fantatry ny rehetra rahateo fa tsy fantatra mihitsy, tamin'ny voalohany hoe ahoana no nahazoan'ny CENI  nampifandanja avy hatrany ny vato azon'i ANR sy i MR ka nanomezana tombony avy hatrany ho an'i ANR, na dia hita aza fa i MR no mitarika any amin'ny maro amin'ireo faritra be mponina eto Madagasikara. Ho avoaka ihany ny antontanisa feno raha ilainareo izany.

 

Naninona Rajao no resy be?

2018-11-09 @ 20:43 in Politika

Zavatra vitsivitsy no azo marihina amin'izao aorian'ny fifidianana ho filoham-pirenena teto Madagasikara taona 2018 izao. Ny zavatra lazaina eto ka nanaitra ny besinimaro dia ny isambato sy ny isanjato kely azon'ny filoham-pirenena farany teto amin'ny firenena, Atoa Rajaonarimampianina Rakotoarimanana Hery Martial, tsy nampoizina tokoa ny vokatra izay tena kely dia kely tokoa raha jerena tamin'ny naha-filoham-pirenena azy ka mahalasa ny eritreritra hoe inona no mahatonga izany vokatra ratsy dia ratsy izany?---

 

 

Tena ratsy dia ratsy mihitsy angaha ny fitantanana nataony no sazian'ny safidim-bahoaka izy? Sa tsy nanao na inona na inona mihitsy izy nandritra ny fotoana nitondrany? Mba mieritreritra ihany ny tena hoe tsy mendrika ny zavatra nataony sy vitany kosa ilay isam-bato azony. Nisy ihany ny tanàna na renivohi-paritany teo aloha nananganana foto-drafitrasa, ary mba nanantena ihany izy hoe hahay hankasitraka ny zava-bitany ny tao amin'ny tanànan'i Fianarantsoa sy ny manodidina, satria heveriko fa tao no anisan'ny nomena tombondahiny manokana amin'ireny foto-drafitrasa ireny. ---

Azo singanina ihany koa fa nandritra ny fotoana nitondrany no nananganana ny fanitarana ny seranam-piaramanidina iraisampirenena eo Ivato sy ny fanitarana ny trano goavana mifandraika amin'izany. Fotodrafitrasa tsy maintsy natao izany satria io no vavahadin'i Madagasikara misokatra amin'ny any ivelany, nefa efa kely loatra sy toa zary efa nilaozan'ny toetr'andro ny fotodrafitrasa misy amin'izao fotoana izao. ---

Etsy ankilany, tsy lavina fa misy ny foto-drafitrasa noheverina ho reharehan'i Madagasikara tamin'ny nandraisana ny fihaonana an-tampon'ny Fikambanana miteny manontolo na ampahany ny teny frantsay. Nisy ny fotodrafitrasa natsangana, toy ny Village Voara (dobla V), saingy tsy vita hatramin'ny farany ny fananganana io toerana io ka zary henatra ho an'ny firenena, ny trano fandraisam-bahiny mihaja "an'olon-tsotra" ao Ivato indray no vita tsara sy natao handraisana ireo delegasiona avy any amin'ny firenena maro. Mifanila amin'izany ihany koa ilay lalana mampitohy an'Ivato Seranana amin'Isoavimasoandro izay nanify loatra ny tara natao taminy sady tonga dia lavadavaka be raha vao nandalovan'ny orana indray mandeha monja. Asa kitoatoa ka niteraka fahatezerana ho an'ireo nahita izany. ---

Tsy adinoina ihany ny ny tantara nanafintohina tamin'ny 'carte grise' sy 'permis' lazaina fa "biometrique" izay naloa tamin'ny vidiny lafo dia lafo. Efa nitaraina ireo nahatsikaritra fa tsy misy izay maha-"biometrique" ireo zava-droa loha ireo saingy norahonana ny hogadraina fa manakorontana ny fiainam-bahoaka. Kanjo Malagasy iray monina tany Etazonia, nilaza fa tsy izy ary tsy "biometrique" mihitsy ireo taratasy roa ireo, dia mody nolazaina fa misy rindrambaiko manokana mamaky ny zava-boasoratra ao anatiny. Ny zatra zavatra "biometrique" mahafantatra avy hatrany fa misy zavatra tsy milamina matoa tsy namoaka na inona na inona rehefa tarafina ilay kaody QR maha-biometrika ny biometrika. Efa hifarana ny fehim-potoana fiasana vao niaiky fa hay tsy nilamina tokoa ireo taratasy nosandaina volabe ny nanaovana azy, sady nandaniam-potoana lava dia lava. Alahelon'ny olona tany anaty ireny ka tany amin'ny fandrotsaham-bato ny olona no nanasazy ireo mpitondra voasaringotra tamin'ireo raharaha ireo ka niezaka ny hirotsaka hofidiana. ---

Lesona ho an'ny mpitondra manaraka io toe-javatra io fa ny tsy tokony hohadinoina dia kandidà nanoloana olona hafa tsy navela hirotsaka io rangahy iray nitantana an'i Madagasikara tao anatin'ny dimy taona latsaka io. Nanjary anaram-bositra azony nandritra ny fotoana nitondrany ny hoe "Rajaonarimampiesona". Saingy tamin'ity fifidianana ity ihany koa no nahitana hoe raha nampiesona izy dia nisy kandidà iray mbola "original" kokoa tamin'ny fampiesonana... ary ny tanora sy ny midoka tena ho mbola tanora no tena roboka sy sodòkan'ny fampiesonana ataony, saingy avelao ho tantara manaraka indray ny amin'izay...

Misehoa! Zarao ny fandresen-dahatrao!

2018-10-25 @ 00:05 in Politika

Dimy volana nanoratana tamin'ny fiandohan'ity taona ity... dia tsy hita indray dimy volana manaraka izay. Nanao tsidi-pahitra ihany tsindraindray nefa misy ny fotoana maniry indrindra ny hanoratra indray saingy tsy mety tafa. Tena mila finiavana be vao mahasoratra. Fa fotoam-pifidianana isika izao ka misy ny tsy maintsy soratana ho fitadidiana, araka ny efa vakianareo mahazatra. Dieny aty am-piandohana dia mariho fa ny teny mahazatra antsika hoe propagandy dia soratako hoe fanentanana fa tsy fampielezan-kevitra. 

Mila tadidiana ary fa tamin'ity taona ity, nisy fiovana filamatra ny fanentanana mialoha ny fotoana, afaka manao ny fanentanana goavana mialoha ny fotoana voafaritry ny lalàna sahady ny kandidà amin'ny fitetezana faritra, ary tena nitarika sy nanjakazaka tamin'izany toe-javatra izany Atoa Andry Nirina Rajoelina, filoha mpanorina ny vina IEM, tsy nanan-kambara loatra ireo rafitra tokony hifehy ny toe-draharaha fa ny hany re dia hoe rehefa tsy manao hoe "Fidio aho" na "Fidio Ranona" izy dia tsy mandika ny lalàna izy izay. Hany ka roboka ihany koa ny kandidà sasantsasany mba nitety faritra fa andeha atao hoe niasa mangina izy ireny fa tsy dia re loatra, tsy nanana haino aman-jery mpanohana mivantana manko.

Vao nanomboka izany ny fotoam-panentanana voafaritry ny lalàna dia niparitaka avy hatrany nanerana an'i Madagasikara ny t-shirt amin'ny loko laoranjy ahitana ny sarin'i ANR izay efa notononiko etsy ambony. Heverina ho very lavitra dia lavitra kosa ny hafa, saingy hay efa nisy ny niova famindra sy fomba fitaizana olona. Efa mahazatra tamin'ny andron'ny Arema ny loko mena midorehitra saingy tsy dia tena hoe betsaka no nitafy ireny fitafiana ireny. Nisantatra ny fizarana t-shirt ho an'olona maro dia maro kosa ny kandidà sady Ben'ny Tanànan'Antananarivo tamin'ny taona 2001. Nahatadidy mihitsy aho fa nisy hevi-dRatsiraka Didier Ignace (na mety ho avy amin'ny mpanohana azy) nampitaha ny hetsika TIM tamin'izany ho toy ny fanaon'ny Nazi tany Alemaina satria tena izaitratra ny isan'ireo t-shirt niparitaka ireo. Azo heverina ho mitovy tamin'izany ny fiparitaky ny t-shirt miloko laoranjy tamin'ity taona ity.

Ny tsikaritra hafa: nitobaka tokoa ny vola lanian'ny kandidà iray mandritra izao fotoam-panentanana izao, ny masoko mihitsy no nahita tao Anosimiarinimerina Avaradrano, teo anoloan'ny QG-n'io kandidà io ny vola nozaraina ho an'ireo nentina fiara hitety tanàna rehefa niandry fotoana maharitraritra tao anatin'ny hain'andro mingaingaina tamin'ny Asabotsy 20 oktobra 2018 lasa teo rehefa ho tolaka ny andro. Hita ihany koa fa saika goavana hatrany ireo karazana QG an'io kandidà io. Trano lehibe goavana azo atao Banky mihitsy ny QG etsy Ankadikely Ilafy raha efitrano kely iray ambony rihana kosa ny Foibem-panentanana an'ny TIM eo Ankadikely Ilafy ihany. 

Tsikaritra ihany koa ny fitiavan'i ANR mamandrika fotoana hanaovana fandaharana manokana indray miaraka ho an'ireo fahitalavitra telo manana fantsona ao amin'ny Canal+ dia ny KoloTv, ny Viva ary ny TvPlus. Tadidinareo ve ilay fotoana manokana tamin'ny volana avrily niarahan'ny Depiote Mapar-Tim-MMM-Indépendants iny? Ilay nilazan'ny Depiote Guy Rivo Randrianarisoa voalohany iny fa hanao tatitra eo amin'ny tokotanin'ny Lapan'ny Tanàna ny depioten'Antananarivo e! Iny no notohizan'i ANR ka na izy sy ny mpanolotsainany no nandrafitra ilay hetsika 21 avrily 2018 na nahay nanararaotra ny fahazoana mampiaraka ireo fantsona miisa telo "misandrahaka" manerana an'i Madagasikara izy mba hampiely haingana ny vaovao avy aminy. Dia toy ny mahatsinjo ny valin'ilay fanontaniako tamin'izany aho hoe tompon-kevitra ve ny depiote TIM sa kofehy nanara-panjaitra tamin'iny hetsika iny.

Raha nirobaroba tamin'ny vola ary ny kandidà sasany dia toa zara raha nisy kosa ny t-shirt ho an'ny mpanohana an'i Marc Ravalomanana? Fa angaha tsy maharaka intsony ny vola? Saingy misy toe-tsaina amboarina ao ambadik'ilay fahavitsian'ny t-shirt, raha ny fijeriko manokana: Satria Marc Ravalomanana no nisantatra tamin'ny fanamaroana azy ho an-tapitrisany 17 taona lasa izay, dia te-hametraka kosa izy amin'ity taona ity fa tsy voatery zaraina t-shirt ny olona vao hifidy na hampandany anao. Taratasy kely nantsoiny hoe "Manifesto" na "fanomezan-toky (miisa 10)" indray no nezahiny hozaraina amin'ny olona sady nilazàny hoe tehirizo iny fa iny no hotanterahana raha vao lany aho. Nahita ny fahombiazany ve ny mpanohana an'i ANR fa dia mba lasa ihany koa ry zareo nametraka ny hoe "Velirano miisa 13" ifanaovan'ny kandidà amin'ny vahoaka.   

Nahita ihany koa isika fa feno ny hiran'ny mpanohana an'i ANR na ny radio na ny fahitalavitra rehetra ankoatra ireo izay tsy mety handray azy ireny. Mahita ihany koa isika fa manokana ny dokambarotra any amin'ny faran'ny pejin'ny gazety maro ny mpanohana an'i ANR n°13 ankoatra ny gazetin'ireo mpanohana mivantana an'i n°25 na n°12. Mahita izany rehetra izany ny mpanohana an'i n°25 dia gaga fa tsy mba manokana pejy iray feno tahaka izany ny kandidà tohanany na dia any amin'ireo gazety malaza amin'ny fanohanana azy aza fa sarin-dRatsiraka n°21 indray aza no hita amin'izany. Dia velona ho azy ny fisantarana andraikitra avy amin'ireo olom-pirenena tsy manaiky ny ho resy tsy miady.

Fihaonana miavaka amin'ity fotoam-panentanana ity ny fanao isaky ny Asabotsy ao amin'ny kianjan'ny demaokrasia ao Ambohijatovo Antananarivo. Satria tsy misy ny fizarana t-shirt ho an'ny mpanohana dia ireo mpanohana indray no mifanangom-bola hanaovana izany ho azy ireo. Misy ny manjaitra ny akanjony manokana ho entina amin'izany fihaonana izany. Dingana iray hafa dia hafa tsy fahitan'ny teto teo aloha izany. Lasa misy isan-karazany sy mamoaka ny fahaiza-mamorona ao aminy ny tsirairay... tsy miandry tolorana toy ny hafa intsony. Efa mampiditra toe-tsaina olompirenena tompon'andraikitra izany fa tsy zary ho mpangataka lava izao. Koa na ho inona na ho inona voka-pifidianana dia efa manana tombony ny mpanohana an'i Marc Ravalomanana amin'ny fizorana mankany amin'izay maha-olompirenena tompon'andraikitra (sy ho mpitarika=leadership) izay. 

Aiza ho aiza amin'izany toe-javatra izany kosa ary ny mpanoratra? Lazaiko anareo etoana fa tsy ao amin'ny Facebook ihany aho no lasa manentana fa eny an-kianja ihany koa. Teo am-piandrasana ny fandalovan'ny vadin'ny kandidà n°25 avy any Volonondry tamin'ny Talata lasa teo, raha toa lasa hira fotsiny no nandany ny fotoana fa tsy nisy loatra ny fandraisam-pitenenana dia nandray ny fanamafisam-peo aho ary nanao karazana fanentanana tamin'ny alalan'ny famakiana fotsiny ny Manifesto narahina fanazavana vitsivitsy, araka izay hita tamin'ny fahitalavitra ihany. Tsy menatra manoloana olona maro tsy fantatra intsony fa ny be ao an-tsaina dia hoe rehefa tsy izaho no hiteny dia iza indray?  Dia izay no mahatonga ny lohatenin'ity paositra ity ho tahaka izao: Misehoa, zarao ny fandresen-dahatrao. Tsy voatery hanao ny tahaka ny nataoko mandray mikrô fa amin'ny fifampiresahana amin'ny olona fotsiny... mety hampisy zavatra ho azy izany, tsy voatery hifanasa vangy fa maneho tsotra fotsiny ny tsi-fitovian-kevitra rehefa sendra izany. Dia izay... Omena anao ny sehatra.

Raha miala Rajao dia ahoana ny tohiny?

2018-05-06 @ 02:38 in Politika

Araka ny efa nosoratana teo aloha dia ny "Miala Rajao" no tarigetran'ny eny an-kianja amin'izao fotoana izao. Mpanara-baovao ihany ny tena fa toa tsy hita soritra ny fahavononana hifampiresaka na hifampiraharaha, ka raha misy ny olona te-hanao izany fifampiresahana na fifampiraharahana izany dia tondroina avy hatrany ho mpamadika ny tolona. Nosoratako ihany koa moa talohaloha tao fa hoe namoaka mpianatra ny mpitolona, efa mazavazava kokoa fa teny Nanisana teny hatrany no niaingan'ireo tanora manakorontana sekoly teto Antananarivo, heverina fa noho ny fahakamoana hianatra no tena antony, fa tsy dia nisy idiran'ilay tolona loatra fa ilay tolona fotsiny no natao fialana bala.


Mivantana moa ny teniko ary mbola voatazona indray ny anaran'ity bilaogy ity hoe "Hevitra Mpanohariana", satria efa manohitra kokoa ny zavatra atao eny an-kianja, mety holazaina ihany koa ho "mpamadika ny tolona", fa averiko ilay fomba fitenin-dRamakavelo, Jeneraly misotro ronono sady poeta, izay hoe "tsindrilentam-pahefana", maninona moa aho raha mba mametraka ny hevitro hosaintsainina fa tsy terena hanaraka am-bokony ny baikom-pitolomana? Koa aza tsiny raha mety hanafintohina ny mpamaky ny zavatra soratako fa izay aho, mamoaka ny hevitro dia samy mandini-tena avy eo. 


Nandeha ny sahoan-dresaka fa "nifampiresaka mangingina teny Iavoloha Rajaonarimampianina sy Ravalomanana" ary efa in-droa mihitsy aza izany fihaonana izany. Raha ny fihaino ny kabarin'ny depioten'Antananarivo I avy amin'ny TIM dia mety ho marina ilay sahoan-dresaka, maro no tafintohina, indrindra fa amin'ny mpitolona, fa tsy izany kosa ny mpanoratra fa faly aza, satria efa misy izany ny fifampiresahana na natao mangingina aza, satria na ahoana na ahoana tsy maintsy hiafara amin'ny fifampiresahana ampahibemaso aza izany, raha tiana hilamina ny firenena, fa sanatriavina kosa ve dia ady mitam-piadiana no tadiavina?... Avy amin'ny fandrenesana ny kabary eny an-kianja no azo iheverana fa te-ho mpitari-tolona, andry manokana tsy te-hiankina amin'ny mpitarika azy ny depiote TIM eny, tsy mahasahy milaza mahitsy ny lalan-kizorana sy ny tanjona farany satria tsy tanjona ny fanalana an-drajao fa dingana fotsiny ihany, fa maniry aho mba ho diso ny fijeriko amin'izay fiheverana izay.

Ka fanontaniana ary no apetrako hoe: Raha miala Rajao dia ahoana ny tohiny? Iza no handray ny toerany? Ahoana ny mety ho fiantraikan'izany eo amin'ny fiainam-pirenena, eo amin'ny toe-karena? Sa hiandry ny tafika handray fahefana? Manahy aho fa lasa mandeha an-jambany fotsiny ilay tolona fa mbola mitsapatsapa amin'izay lalan-kalehany, raha tsy hoe efa voapetraky ny hafa tsara ny tetipanorony fa ny sasany kosa zary kofehy manara-panjaitra satria efa natomboka ihany izy ity?


Lasa miverina kely amin'ny tantaran'ny 2009 aho. Raha ny fomba famaky ny tantara tamin'izany fotoana izany dia nanao izay tsy hifanatrehana hifampidinika Ravalomanana, fony mbola teo amin'ny fitondrana. Aty aoriana isika vao nahita fa ny lehiben'ny delegasiona notondroiny ho eny kay efa miara-dia miafina amin'ny mpitolona (ka nandrisika an-dRavalomanana hoe aza tonga aty ianao fa tahaka ny hafahafa aty amin'ny Le Hintsy Ambohimanambola aty), ary ry zareo mpitolona kosa saiky hanao rodobe tsy hanaja ny fetr'isan'izay tokony handray anjara fifampidinihana. Nandeha daholo ny karazam-pitapitaka mialoha na mandritra ny fifampidinihana hanaratsiana ny andaniny na ny ankilany. Amin'izao fotoana izao, izay mihevi-tena ho manana ny hery sy ny vahana tsy manaiky hifampidinika nefa izay no lesoka voalohany ao aminy, sa mahatsiaro kosa izay natao tamin'ny taona 2009?


Manaraka izany indray dia karazany mampihomehy ihany koa ilay hoe alaina any amin'ny toeram-piasany any amin'ny minisitera ny mpiasam-panjakana, noho ny ramatahora. Olondehibe ireo mpiasa ireo ka tsy tokony ho alaina izany fa ry zareo no mamaha ny olany amin'ny fahaizana miara-mientana fa matoa ry zareo tsy mandeha dia tsy manana ilay faharisihana handeha mihitsy, fiheverako samirery izany. Tamin'ny taona 1991, nikatso tanteraka ny asam-panjakana teto Antananarivo, tsy nisy mpiasa intsony na nisy fa tena vitsy ny mpiasa nijanona tamin'ny minisitera, fanaterana minisitra no natao tamin'izany fotoana izany. Tamin'ny taona 2009, fanaterana minisitra an-dalambe no natao tamin'izany, tsy voatery ho betsaka na vitsy ny olona isaky ny minisitera, fa tsy nitovy velively tamin'ny taona 1991 kosa ny fikatsoan'ny asam-panjakana. Taona 2018, fitetezana minisitera tsy manatitra minisitra fa maka mpiasa, nefa hoy aho hoe raha alaina ilay mpiasa dia tokony ho isan'andro no maka azy fa tsy indray mandeha iny ihany. Mivadika tanteraka ny fomba fitolona ary tsy tokony hitovy velively rahateo. 


Koa raha fehezina ny resaka dia izao: marina fa efa nataonareo ny tolona ary efa malalaka ianareo amin'izay atao eny an-kianja saingy mba miangavy ihany ny hanokafam-baravarana isian'ny vahaolana tsy miantraika ratsy loatra amin'ny toe-karena. Sa hifanendry ho minisitra indray ianareo nefa efa nambaran'ny tafika sy ny polisy fa tsy hanaiky toe-javatra tahaka izany velively ry zareo? Torohevitro: ianareo no manondro ny andro sy ny toerana ihaonana sy ny lohahevitra ifampidinihana dia anjaran'ny hafa ny mieritreritra raha te-hanavo-tena amin'ny alalan'ny fanetre-tena ry zareo na mbola ho diso eritreritra ao anatin'ny avonavona ihany. Fitadiavam-bahaolana haingana io fa lasa tolona lavitr'ezaka be izany fitadiavana hanaisotra ny filoha tsy mandalo fombafomba avy amin'ny HCC izany, ary ny HCC rahateo toa tsy teren'ny lalàna hamoaka ny didiny ao anatin'ny fotoana voafetra... Azonareo atao ny mitondra ny kibay (miala Rajao) fa tokony hisy kosa ny karaoty (dinika an-kitsimpo) avy aminareo dia hita ho mahay mitondra ianareo fa tsy ny mpitolona no avezivezy etsy sy eroa ho reraka ambony ihany.  


Dia izao ihany koa, tsy nety mihitsy ny isan'ny depiote nofidiana tamin'ny taona 2013 iny satria nokendrena hahavitsy ny solontenan'ny faritanin'Antananarivo taloha nefa natao hahabe isa ny tany amin'ny faritany... Na raha tsorina dia hoe nokendren'ny MAPAR iny hahabe isa an-dry zareo ary dia betsaka tokoa ry zareo nivoaka avy tao, fa izao kosa lanjalanjao izay tena tokony ho isan'ny depiote hifanaraka kokoa amin'ny isan'ny mponina amin'ny fari-pifidianana misy azy avy. Hevitra tsy maintsy atsipy ireo...

Jadona ihany koa ny terivaimanta tsy manaiky fifampiresahana

2018-05-03 @ 22:49 in Politika

Ny ifotoran'ny lohateny dia ao amin'ny antenimieram-pirenena sy ny antenimieran-doholona. Ny mpanara-baovao no mahalala ny fandaniana ilay lalàna niteraka ny korontana misy eto amin'ny firenena amin'izao fotoana izao, ny lalam-pifidianana izay manana endrika fanilihana kandidà atahorana handresy ny eo amin'ny fitondrana. Izay no niaingan'ny fitokonana ka niova endrika rehefa azo taorian'ny fifanandrinana tamin'ny mpitandro ny filaminana ny kianjan'ny 13 mey tamin'ny 21 avrily 2018; ny kianjan'ny 13 mey no karazana sabatra "Excalibur" tamin'ny tantaran'i Arthur mpanjaka (karazana angano nefa karazany mampiorina ny fanjakana anglisy mijoro hatramin'izao fotoana) nefa dia zary misy eto amin'ny firenentsika. Io "Excalibur" [Ex cal[ce] liber[atus] (« afaka tamin'ny vato ») Malagasy io no nohazavaiko tamin'ny lahatsoratra teo aloha hoe izay mitazona azy no manjary mahazo ny fahefana ara-drariny, izay no zava-nisy hatramin'ny taona 1972 no mankaty, fa ny amin'izao fotoana izao no hohitantsika eo.


Somary mitarazoka kely amin'ilay "Excalibur" aho satria imbetsaka tsy azo io kianjan'ny 13 mey io ka tsy nety nahazo ny fahefana izay te-hiditra nefa tsy tafiditra teo. Ny roa ihany no tantaraiko. Ny voalohany dia ny tolona nataon'ny Monima tamin'ny taona 1980, 1981, 1982 tany ho any. Noho ny sivana sy ny tsy fisian'ny lahatahiry amin'izany no tsy ahatsiarovana ny daty rehefa tsy voasoratra tamin'ny diary ilay izy, mbola kely loatra anefa aho hanaovako izany diary izany fa fantatro kosa ny fisiany noho ny resaka an-takonana any ho any. 


Nikasa ny hiditra teo ny M.O.NI.MA [Madagasikara Otronin'ny Malagasy] fa tsy tafa mihitsy satria tsara aron'ny miaramila ny toerana, nivadika ho fandrobana ihany koa ny zavamisy noho ny mbola fotoana nampatanjaka ny TTS (Tary Tonga Saina), andian-jiolahy nofahanan'ny fanjakana, teo ambany fiahian'ny minisiteran'ny mponina, nanana ny foibeny tao amin'ny toby Pochard, izay lasa tsena amin'izao fotoana (2018). Ny TTS no mpandrava ny tolona sy karazan-tsindry ataon'ny fanjakana amin'izay mitady hanohitra azy, nirahina hanafika ireo orinasa tsy nanaiky hanome vola mpitondra fanjakana tamin'izany fotoana izany, ny takalony dia nanao izay tiany natao ny TTS ary nahavita naka an-keriny ireo zanak'Antananarivo vavy tsara tarehy ka niterahany na novonoiny rehefa tsy mety manaiky azy (lasa andevo ara-pananahana tao amin'ny toby ireo tovovavy ireo mandra-pandravan'ny Kung-Fu ny TTS tamin'ny 4 desambra 1984 raha tsy diso ny taona). Nisy fakan'i Monja Jaona ny radio tao Anosy tamin'izany fotoana izany. Resy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena moa ny M.O.NI.MA izay mpanohitra tao anatin'ny Mandatehezana Miaro ny Tolompiavotana tamin'izany fotoana izany. Krizy be tamin'io taona io fa toa iniana tsy lazaina satria tsy nahaogam-panjakana ny M.O.NI.MA fa tsy hoe miova fitondrana ihany vao krizy politika.


Ny faharoa hotantaraina indray dia ny tamin'ny 28 marsa 2009, nanao rodobe nidina teny ny mpanohana an-dRavalomanana rehefa voaongana teo amin'ny fitondrana folo andro mahery kely talohan'io daty voatondro io. Io no fidinana ofisialy tamin'izany fotoana izany, ravan'ny miaramila ilay izy satria nivoaka tao amin'ny tobin'ny 1/RM1 ny miaramila niaraka tamin'ny basy ka nanapaka teo afovoany ilay filaharambe. Hitantsika ny tohiny fa tsy nety naharesy tosika ny fitondrana tetezamita ny mpanohana an-dRavalomanana sy ny mpanohitra ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila (Capsat) niaraka tamin'i Andry Rajoelina.  


Izay no ela fa hiverina amin'ny zavatra saika hotantaraina aho, marihiko dieny ety am-piandohana fa samy nanao fahadisoana avokoa ireo ankolafy roa nampandany sy nitsipaka ny lalam-pifidianana araka ny fiheverako. Fahadisoan'ny nampandany azy ny amboletra tsy niraharaha ireo fanitsiana notadiavin'ny sasany satria nihevitra ny hoe matanjaka arovan'ny mpitandro ny filaminana ka nitady ny fomba rehetra hampandaniana azy satria hoe izay tapaky ny maro an'isa ihany io. Sady nampisara-kevitra anefa no nampisara-bazana ilay lalam-pifidianana ka nahatonga antsika ho amin'izao toe-draharaha izao. Tsy hoe maro an'isa ianao dia azonao atao daholo ny zava-drehetra. Ny Arema tamin'ny taona 1990-1991 aza mbola misaina lavitra noho ny depioten'ny 2018 raha amin'izay toe-javatra izay. Fa nisy inona tao amin'ny antenimiera tamin'izany taona izany?


Mampahatsiahy antsika ny taona fa nisy ny krizy tamin'izany fotoana ary nahazo ny fifehezana ny kianjan'ny 13 mey ny mpitolon'ny Hery Velona. Nisy ny fivorian'ny tao amin'ny Antenimieram-Pirenena Entim-Bahoaka izay ny A.RE.MA no nanjaka tokana tao. Ho famahana ny fikatsoana satria nitokona tsy nisy nisokatra ny minisitera rehetra teto Antananarivo dia nisy ny depiote nanolo-kevitra ny hamindrana vonjimaika ny renivohitra hiala an'Antananarivo hafindra ho any Toamasina. Nandre izany ny depiote lany teto amin'ny faritanin'Antananarivo izay A.RE.MA ihany no maro an'isa dia tsy niresaka na niady hevitra ny amin'izany fa tonga dia nivoaka fotsiny izao. Ny Depiote Razakaboana lany tamin'ny lisitra A.RE.MA tao Antananarivo Renivohitra no nitarika ny namany hivoaka tsy hiady hevitra amin'izany akory. Nahita izany ireo depioten'ny faritany dimy dia nikoropaka nanao izay hampiverina ireo depiote ireo tamin'ny resaka, niezaka niteny hoe vonjimaika ihany anie ilay famindrana fa tsy nety niverina ireo depioten'ny faritanin'Antananarivo ireo fa namaly hoe lanio ao ny lalànanareo dia hohitantsika eo. Vokany tsy noresahina intsony ilay volavolan-dalana na dia mety ho azon'ny depiote nolaniana tamin'ny 80% na 97% isanjato aza satria tsy nisy tao ny depioten'ny faritanin'Antananarivo hitsipaka azy. Vokany hafa, nampiditra ny faritany mizaka tena Ratsiraka rehefa tafaverina indray teo amin'ny fitondrana tamin'ny taona 1997. Aiza ho aiza amin'izany toe-javatra izany ny depioten'ny H.V.M sy ny mpiara-dia taminy? Nanao amboletra tamin'ny fampandaniana ihany na dia efa nalaza aza ilay volavolan-dalana fa tsy araka ny tokony ho izy mihitsy amin'ny mangarahara.


Etsy ankilan'izany, nanao fahadisoana ihany koa ny ao amin'ny depioten'ny fanovana 2018 (MAPAR-TIM-MMM-Mahaleotena) tsy manaiky ny hifampiresaka fa manao amboletra hamoaka mpiasam-panjakana ary lasa mampiditra ny ankizy tsy ampy taona amin'ny tolona rehefa mandrava ny fampianarana. Lasa nivaona mihitsy moa raha ny hita tany Ambatondrazaka amin'ny hoe hametraka DREN sy Chef CISCO vaovao. Ilay famoahana ny ankizy tsy hianatra no fahotana mahafaty nataon'ny depioten'ny fanovana. Lalan-tokana no tokony atao ary tsy maintsy hiditra amin'izany foana na oviana na oviana dia ny fifampiresahana izany. Tokony nahazo vahana saingy nanary izany tombony izany tsy amin'antony. Tokony hotadidin-dry zareo fa ny kiribibin'i Andry Rajoelina tamin'ny taona 2009 hoe tsy maintsy miala Ravalomanana vao mifampiresaka no saika naharava ny tolona TGV 2009 raha tsy niditra an-tsehatra ny CAPSAT Soanierana. Koa saino ry depioten'ny fanovana izay hanohizanareo ny tolonareo ary tokony hieritreritra manokana ny depiote TIM fa efa miha-tsy fantatry ny maro mpanohana anareo intsony (ary ahiana dia ahiana ny tsy ankatoavan'ny mpanohana TIM anareo intsony na haharava hatreo ny TIM).  

 

 

Izay ho tahirin'ny tantara amin'ity fanombohan'ny tolona 2018 ity

2018-04-25 @ 20:01 in Politika

Mandalo fotoan-tsarotra ny firenena amin'izao fotoana izao. Ekena fa tamin'ny asabotsy 21 avrily 2018 no tena nisy gidragidra mivantana nandresen'ny mpitolona rehefa lany bala rivotra na fingotra sy baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana ka nisy tamin'izy ireo raha nanavo-tena no nanapoaka basy nisy bala tena izy ka niteraka fahafatesan'olona. Nampiova endrika ny tolona izany toe-javatra izany ka tonga hatramin'ny fitakiana ny fialàn'ny filoham-pirenena.

Fantatsika rehetra anefa fa fangatahana hanao tatitra amin'ny vahoaka tamin'izay nitranga tamin'ny fampandaniana ny lalàna fehizoro momba ny lalàm-pifidianana no niandohany. Efa hain'ny depioten'ny TIM sy MAPAR, VPM-MMM ary Mahaleotena tsara ny zavatra hitranga, tamin'ny alalan'ny fikasana hanaovana izany tatitra izany ihany koa tany Toamasina, morontsiraka atsinanan'i Madagasikara. 

Nitsapa ny halalin'ny rano ry zareo ny Asabotsy talohan'ity andro iray tafiditra ho ao anatin'ny tantaran'i Madagasikara ity. Voasakana ny hetsika. Efa andro maromaro, nandritra ny fandaharana manokana navoaka fahitalavitra tsy miankina vitsivitsy (Tv Plus, Viva Tv, Kolo Tv) no nitenenan'ny Depiote Guy Rivo Randrianarisoa (voafidy tao Antananarivo Fahadimy) voalohany ny hanaovana tatitra eo an-tokotanin'ny Lapan'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra.

Mila tsaroantsika ihany koa fa nisy toe-javatra tsy mbola nahazatra ny teto an-tanindrazana koa tamin'ny andro nikasana hivoahan'ny fandaharana manokana notenenina tetsy ambony io. Mbola tsy afa-mampiely ny fandaharany manerana an'i Madagasikara, amin'izao fotoana anoratana izao, ny fampielezam-peo sy fahitalavitra tsy miankina, fa hitan'ireo izay manana famandrihana Canal+ manerana an'i Madagasikara sy ny Faritra kosa ny sasantsasany amin'izay eto Antananarivo. Anisan'izany ireo fahitalavitra telo voatonona etsy ambony ireo ka azo heverina fa efa voadinika tsara mialoha avokoa ny fanatontosana sy ny fampielezana ilay fandaharana manokana ho hita sy ren'ny olona maro manerana an'i Madagasikara. 

Fantatra tsara fa tsy hitovy amin'izay mijery ny TVM (Fahitalavi-panjakana) ny hamaroan'ny mpijery raha afa-miditra manao fandaharana amin'izany TVM izany izay rehetra tsy manohana ny fitondrana HVM. Toy ny tsy misy izay feo rehetra ivelan'ny eo amin'ny fitondrana ho an'ny RNM sy ny TVM nandritra ny fitondran-dRajaonarimampianina (sy izay rehetra teo alohany). Ny hampielezana haingana ny vaovao manerana an'i Madagasikara anefa no tanjona ka tsy maintsy tadiavina ny fomba hanaovana izany. Soa izany fa nisy ny famandrihana mandoa vola isam-bolana Canal+ mba hahitana sy handrenesana ireo fampitam-baovao tsy miankina eto Madagasikara saingy nisy ny sampona tamin'ilay andro hivoahan'ny fandaharana manokana.

Tapaka tampoka tao amin'ny Canal+ ny fantsona rehetra avy eto Madagasikara na fahitalavitra izany na fampielezam-peo ny marainan'ny zoma 13 avrily 2018. Taitra ny maro ka na inona na inona antony nolazain'ny tao amin'ny Canal+ dia fikasana tsy hielezan'ny fandaharana hanerana an'i Madagasikara no tanjon'izany hoan'ny mpanara-baovao maro. Nilaza moa ny tao amin'ny Canal+ fa ny fifandraisana nankany Paris no fototry ny olana tamin'izany saingy tsy nohenoin'ny olona io antony io. Tafaverina tamin'ny laoniny ihany ireo fantsona tsy hita tampoka ireo minitra vitsivitsy monja mialoha ny tokony hanombohan'ny fandaharana. Dia hatreo aloha ny fitantarana androany mba hipetrahany ho tantara voasoratra.

 

Tsy azon'ny vahiny mpampita vaovao ny fizotran'ny toe-draharaha

2018-04-22 @ 01:20 in Politika

...Na inian-dry zareo tsy soratana ny vaikan'ilay nahazo ny kianja manoloana ny Lapan'ny Tanànan'Antananarivo (13 mey 1972) eo anatrehan'ny Malagasy, tononina manokana ireo nanao ny fitolomana teny amin'io kianja io. Izay mahazo na mifehy io toerana io no mahazo ny lakaben'ny fanorona mora ahazoana indrindra ny fahefana eto Madagasikara, na fiandohan'ny faharavan'ny fitondrana nitana ny fahefana. Izay ilay antsoina hoe mivadika ny rasa.

Volana maro na vitsy izay teto Madagasikara, izay manohana ny fitondrana ihany no afa-mamory olona araka izay tiany. Raha ny hafa no manao izany dia sarotra dia sarotra ho an'izany olona izany ny hanangona olona am-pilaminana. Nanomboka ny 21 avrily 2018 kosa, noho ny fanentanana tamin'ny haino aman-jery, nihamaro ny olona sahy niatrika ny mpitandro ny filaminana sy ny fandravana fivorivorian'olona. Fotoana fohy mialoha ny heverina ho fanombohan'ny tatitra hataon'ny depiote amin'ireo vahoaka nifidy azy, fika iray nentina namoriana ny olona ho eto Antananarivo nefa hita mazava eo anatrehan'ny rehetra fa fanomanana fihetsiketseham-panoherana izany na tsy lazaina mivantana aza, nanomboka sahady ny fandefasana ny baomba mandatsa-dranomaso teo Analakely sy ny manodidina azy. Efa marika sahady izany fa maro tsy tahaka ny mahazatra (nandritra ny fitondran'ny filoha Rajaonarimampianina) ny olona tonga haneho ny tsy fahafaliany.

Zavatra iray hafa voamarika, saika mari-potoana ihany koa ny depiote niainga avy ao amin'ny tranon'ny kaominina iray etsy Ambohijatovo natao ho fonenan'izay Ben'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra, araka ny fahafantarako azy, hamonjy ny toerana voatondro, saingy efa niandry teo akaiky teo ihany koa ny Emmo hanakana azy ireo. Heverina fa niara-nivavaka tamin'ny mpiandry vitsivitsy ry zareo mialoha ny hizorana ho any Analakely raha ny fanombanana. Mihazakazaka ny ho lohalaharana ireo depioten'Antananarivo ireo raha ny fijery azy, noho ny sao dia ilazàna hoe miafina ambadiky ny olona ve? Angamba noho ny fihazakazahana hoe iza no tonga aloha eo amin'ny toerana kendrena hahatongavana.

Raha niompana be dia be tamin'izay fandravana ny fihetsiketsehan'ny olona izay ny tati-baovaon'ireo gazety sy haino aman-jery vahiny, ny mason'ny Malagasy mpanara-baovao kosa mitodika any amin'ny hoe azo ve sa tsy azo ny kianjan'ny 13 mey... ny tokotanin'ny Lapan'ny Tanàna no marina kokoa. Raha ny hitady ny isan'ny maty sy ny maratra no mahamaika ny gazety na mpanara-baovao, tsy dia mahaliana loatra izay nandray anjara tamin'ny fitokonana izany rehefa tratra ny tanjona. Mihevitra ny mpitolona avy eo fa efa azony sahady ny fandresena na dia nisy aza izany maty sy maratra izany. 
Raha manao fihetsiketsehana izany ny Malagasy eto Antananarivo, tsy ny midina eny an'arabe  hanehoam-pahatezerana no maika fa ny handrombaka ilay fahefana araka ny lalaon'ny Malagasy hatramin'ny taona 1972 teo amin'io toerana io.

Tahaka ny fihetseham-po fandrenesan'ny vahoaka amin'ny firenena iray  ny hiram-pireneny redonina mandritra ny fanolorana medailin'ny lalao olaimpika, na fahitan'ny vahoaka iray ny sainam-pireneny mitsatoka voalohany sy avo indrindra amin'ny toerana iray no fihetseham-pon'ny Malagasy raha naharesy tosika ny mpitandro ny filaminana nanemitra ny toerana ry zareo ka afa-mijoro sy mipetraka ary mitsinjaka sy mihiaka. Tsy tokony atao mahagaga, noho izany, raha naharitraritra ihany ny horakoraky ny olona teo amin'io toerana io rehefa azon-dry zareo ny sehatra. Tsy tokony atao mahagaga ihany koa raha tsy manao na inona na inona intsony ny mpitandro ny filaminana raha vao mby eo amin'io toerana io ny maro an'isa satria izay ilay ao an-tsaina. Tsy tokony atao mahagaga raha miantso ny hanaovana fifampiresahana amin'izay ny eo amin'ny fitondrana satria efa very ny hasiny, saingy efa tara loatra izany ho an'ny maro, tara loatra ny antso avy amin'ny praiminisitra sy ny filohan'ny antenimieran-doholona.


Hafahafa noho izany ny mahita fampahalalam-baovao na malagasy na vahiny raha mampiseho ny sarin'ny fihetsiketsehana ka tsy mamoaka sy mitatitra ny fahazoana na tsia ilay kianja manan-tantara sy ivon'ny hasin'ny politikan'i Madagasikara. Manomboka izao: an-dalan'ny (mahita ny) famadihana ny pejin'ny tantaran'i Madagasikara indray isika.

 

 

Ravalomanana Marc: Sao voafandrika ao ianao?

2016-09-15 @ 17:53 in Politika

Raha ny marina dia tsy te-hiditra politika politisiana, na politika miresaka na manonona anaran'olona intsony aho. Fa indraindray dia tery ihany ny hanoratra sy hanoro hevitra. Tsy voatery ho marina izay soratako fa mba eritreritra fotsiny ihany. Efa mba noteneninao ihany fa tsy ekenao ny resaka fanonganam-panjakana, itovizantsika hevitra ny amin'iny zavatra iray iny. Fa na inona na inona hevitra tsy itovizana dia tsy mety amintsika ny fanonganam-panjakana afa-tsy amin'izay fomba eritreretiko mbola tsy holazaiko izay, fa avelako eo ny amin'iny.



Misy ny andian'olona miezaka mafy hanao izay hamaranana ny fitondrana ankehitriny, nefa ry zareo ihany no niezaka mafy ny hametraka azy teo tamin'ny fomba rehetra na tsara izany na ratsy, efa tsy niteny loatra intsony izahay tamin'ny fomba famoahana ny valim-pifidianana izay miharihary fa fanamboaran-tsaina fotsiny fa efa vita lamina ny hala-bato tamin'izany fotoana izany. Koa na tena tsy ankasitrahana mihitsy aza ny ataon'ny eo amin'ny fitondrana amin'izao fotoana izao, ny kiantranoantrano ataon'ireo olombitsy, ny fanafihan-jiolahy ataon'ireo tompon'ny fitaovam-piadiana eto amin'ny firenena, dia tsy hahatonga ahy hiantoraka any amin'ireo nahazo toerana tamin'ny tetezamita vokatry ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2009 velively izany.



Raha misy andrakandrana fidinana an-dalambe nanehoan'ny mpitondra ny heriny tamin'ny fandefasana mpitandro ny filaminana an'arivony teny amin'ny araben'ny fahaleovantena, dia efa manana tetipanorona ireo vondron'olona ireo. Tanjona voalohany ny isintonana ny fon'ny olona hoe ry zareo no mitarika ny mpanohitra ny fitondrana amin'izao fotoana izao. Mety mahafantatra tsara ihany koa ireo olona ireo fa tsy haharesy ny eo amin'ny fitondrana mihitsy raha vao fifidianana izany no resahina eto Madagasikara. Koa tsy maintsy ampîasaina ny loha amin'ny hahazoana indray ny fitantanana ny fitondrana amin'ny fomba rehetra na tsara izany na ratsy. Noho izany, tsy ho fantatrao mihitsy izay tena tanjon'ireo vondron'olona ireo ary, amiko manokana, dia fandrika mety ahafahana mandoto anao ny fanarahana azy ireo na fanatevenan-daharana azy ireo. Afaka miditra na manatevin-daharana ianao raha hainao tsara ny tanjony ka ahitanao tombontsoa ao anatin'izany, fa lasa sorona avy hatrany kosa ianao raha tsy hainao akory izay kendreny amin'izao fihetsiketsehana ataony izao (Sady efa malaza ho tsy tia anao daholo ireo olona ao rehetra ireo).



Koa dia izay no hamaranana ny hafatro hoe: Sao voafandrika ao ianao raha mijabajabaka ao?

Te-hiverina eo amin'ny fahefana ny mpivarotra amoron-dalana

2016-08-24 @ 20:55 in Politika

Tsy te-hiresaka ady politika loatra aho na dia mankafy io taranja iray io aza. Mampizarazara izy io ary mampiady ny olona mpifanerasera sy tokony hifandray isan'andro noho ny asa aman-draharaha. Fa misy kosa ny tanjona izay tsy tiako mihitsy ny kendreny satria dia fanakorontanana ankitsirano ny fampandrosoana ny tanàna.

Misy fahitalavitra malaza amin'ny fanoherana ankehitriny ary manambava tokoa. Sady tsy tiany ny filoham-pirenena no tsy tiany ihany koa ny Ben'ny Tanànan'Antananarivo. Mampiditra tsikelikely ny fanakorontanana sy ny fandranitana io fahitalavitra iray eto Antananarivo io. Gaga ny tena raha nanaraka tsy fidiny ny vaovao an-tsariny tamin'ny 19 aogositra 2016 lasa teo mahita ny famoahany ny heviny amin'ny alalan'ny feon'ny mpivarotra amoron-dalana. Te-ho mpitondratenin'ireo mpivarotra amorony sy anaty lalana ireo angamba izy no tena marina.

Fa inona no nataony tamin'ny 19 aogositra 2016? Raha tsy maharaka ianao dia tamin'io fotoana io no niantsoan'ny antoko iray te-hiseho masoandro antsoina hoe Antoko Fanavotam-Pirenena na AFP ny olona hidina eny Analakely hanala ny Filoha fa "izay ihany no vahaolana tokana amin'izao toe-java-misy izao". Raikitra ny fifanasana vangy talohan'io daty io. Tsilian-tsofina no nandrenesana fa 3000 any ho any ny mpitandro ny filaminana nahetsika teo Analakely hanosehana izay mpanao fihetsiketsehana hoavy eo. Tankina teo ny amin'iny resaka iny. Fa ny tohim-baovao no nahaliana:

Naka ny feon'ireo mpivarotra amorondalana na anaty lalana ity fahitalavitra, inona ny hevitra nivoaka? Firaisana tsikombakomba eo amin'ny fitondrana Rajaonarimampianina sy ny Ben'ny Tanàna Lalao Ravalomanana izao fanakatsakanana ny asan-dry zareo tsy hivarotra eny amoron-dalana izao. Saribakoly fotsiny io Lalao Ravalomanana io fa lohan'i "Dada" ihany no tena mitondra. Ny nampihomehy irery ahy moa dia ilay resaka tsy misy ifandraisany dia raikitra ny famelezana ilay Ben'ny Tanàna. Inona no idiran'ny Ben'ny Tanàna amin'ny fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana sakanan'ny mpitandro ny filaminana?

Andro vitsivitsy taty aoriana, omaly talata, niditra fiara fitateram-bahoaka, dia nandre resaka tamin'ny radio iray tarika sy anarana amin'ilay fahitalavitra nitatitra ny resaka teo ambony ihany. Fandraisana vahiny sy fanehoan-kevitry ny mpihaino no fizotrany fa dia kapoka iray tamin'ilay resaka mpivarotra amoron-dalana ihany. Ny mahavariana dia mody feon'ny mpihaino na olona anontaniana hatrany ilay izy fa dia mitovy ny hafatra, tsy rariny mihitsy ny sakatsakana ataon'ny Ben'ny tanàna amin'ny mpivarotra amoron-dalana: "Fa maninona no eo Analakely sy Ambodifilao sy Soarano irery ihany no enjehin'ny Ben'ny Tanàna nefa feno eran'Antananarivo?", "Raha tsy zakan'ny Ben'ny Tanàna ny isian'ny Mpivarotra Amoron-dalana dia mialà fa aza ny vahoaka madinika no atositosika!"

Tsy mahagaga ianareo raha nandre na nahita amin'ny vaovao androany alarobia itakian'ny mpivarotra amoron-dalana tarihan'ingahy antsoina hoe Filohan'ny Mpiaro ny Mpanjifa ny fialan'ny Ben'ny Tanàna. Indray fotsiny no niserana ny masoko ilay fahitalavitra, ary indray no niserana ny sofiko ilay radio fa ireo no tena nisongadina. Tsy azo visavisaina noho izany ny fandrisihana sy ny fanasana atidoha nataony nandritra ny fotoana maharitra hatramin'ny fikendrena hanesorana ireo mpivarotra tsy manara-dalàna ireo. "Izahay mpivarotra no nametraka ny Ben'ny Tanàna eo ka anjaranay mpivarotra ihany no manaisotra azy eo!" hoy ny hita sy re androany. Tsy mivoaboaka foana izany teny izany fa raha izaho manokana dia sahy milaza fa tsy nisy nifidy an'i Lalao Ravalomanana ho Ben'ny Tanàna izany ireo na ny iray aza fa ilay kandidà nilaza ny hamerina ny tsena eo Analakely no nofidiany tsy misy hambahamba.

Izany no ohatra iray ataon'ny fampitam-baovao iray eto Antananarivo sy azo renesina sy jerena any amin'ny faritra sasany amin'ny alalan'ny fantsona fahitalavitra andoavam-bola. Tsy atao mahagaga loatra noho izany raha mandeha any amin'ny tsy izy ny fisainan'ny olona omena vahana eto an-drenivohitra. Soratra natao ho vavolombelona izao soratako etoana izao.

Jentilisa 24 aogositra amin'ny 11 ora alina.

Tia Tanindrazana ve ity olo-malazan'ny tantara malagasy ity?

2016-07-21 @ 15:48 in Politika

Ity lahatsoratra ity dia eritreritro manokana momba ny hoe fitiavan-tanindrazana ka raisiko ho raharaha manokana Ralaimongo. Misy zavatra tsy azoko tsara manko ny amin'ny antony nampidirana azy ho tia tanindrazana nefa tsy reko loatra ho niady ho amin'ny fahaleovantenan'i Madagasikara izy. Ny notakiany dia ny hanaovana ny teratany Malagasy rehetra hizaka ny zom-pirenena Frantsay, mba hitovian'ny Frantsay sy ny Malagasy eo anatrehan'ny lalàna sy ny fitsarana amin'ny zo rehetra.


Fony aho namaky ny tantara dia karazam-panesoana ny Frantsay mpanjana-tany na mpiasam-panjakana miseho ho manambany Malagasy no tena fanaony, vasohany hitam-bahoaka ireo mpiasam-panjakana manindry fiteny any amin'ireny biraom-panjakana ireny. Ny tena nahatonga saina aho tampoka dia ny anaran'ny fikambanana nisy azy ho Ligy Ho amin'ny Fizakan'ny Malagasy ny Zom-pirenena Frantsay. Endrika fitiavan-tanindrazana tamin'izany fotoana izany tokoa ve no notakiany? 


Inona no nampidirana azy ho ao anatin'ny Tantaram-pirenena ho Maherifo? Noho izy nitaky ny fitovian-jò ve fa tsy ny fahaleovantena? Raha tontosa tamin'ny andron'ny Krizy lehibe tokoa (1929-->)ary ny fitakiany ka nizaka ny zom-pirenena Frantsay ny Teratany Malagasy rehetra, moa ve nisy intsony ny fitakian'ny fikambanana hafa nolazaina ho tia tanindrazana? Ka sao dia maherifon'ny fitovian-jò no toerana misy an-dRalaimongo fa tsy maherifon'ny firenena malagasy?


Fa iza no tena nampiditra azy ho ao anatin'ny Tantara noho izany?

Ikotofetsy sy Imahakà sa Mapar sy Tim?

2015-05-27 @ 23:08 in Politika

Efa tsy te-hiresaka adilahy politika intsony aho, fa tsy hanary ny resaka politikam-pandaminana sy fandalinana fotokevitra politika, saingy tsy avelan'ny toe-draharaha eto amin'ny firenena hipetrapetraka sy ho zary mpitazana fotsiny, na dia maharikoriko aza ilay izy.

Iray volana teo ho eo izay dia nisy ny zaikaben'ny fampihavanam-pirenena. Anisan'ny nivoaka tao, na tsy voatery arahina aza, ny fandravana ny andrim-panjakana rehetra ankoatra ny Filohan'ny Repoblika. Lasibatra manokana amin'izany fangatham-pandravana izany ny antenimieram-pirenena izay nampikoropaka ireo mpikambana tao anatiny sy nampanaovan-dry zareo valan-dresaka hitsipahana izany fikasana izany. Efa namaly ankolaka izany ihany ny tao amin'ny presidansa saingy tsy mbola maty lolo ireo depiote ireo. Manantomotra ny fisokafan'ny fotoam-pivoriana ara-potoanan'ny antenimiera indrindra io fotoana io ka alaim-panahy ihany ry depiote hivondrona.

Mifanindran-dalana amin'izany dia naka fanapahan-kevitra, hanaisotra ny hitsivolana nandidy ny fiambenana an-dRavalomanana amin'ny toerana manokana noho ny "fidirana an-tsokosoko" teto an-tanindrazana, ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Nahatezitra tanteraka ireo nanongam-panjakana tamin'ny 2009 izany fanapahan-kevitra izany, satria ny fototra ijoroany voalohany tsy azon-dry zareo anaovana adivarotra dia ny famafana tanteraka izany anarana Ravalomanana izany amin'ny sehatra politika. Bala faharoa hiantefa any amin'ny filoha Hery Rajaonarimampianina ihany koa io fanapahan-kevitra io satria ilay tolona nimatesaka tamin'ny fiandohan'ny taona 2009 mihitsy no montsana tanteraka. Nanomboka teo dia napoapoaka fa fitondrana hvm-tim izao fitondrana mijoro izao rehefa hiara-miasa amin-dRajaonarimampianina Atoa Ravalomanana.

Tamin'ity herinandro mamarana ny volana mey ity anefa dia tontosa tampoka ny fivorivorian'ny depiote hanongana ny filoham-pirenena. Ny gazety vahiny mitabataba ny "destitution" moa ry mpanao lalàna sy ny eto an-toerana miezaka ny miteny ny "déchéance". Fa na "destitution" io na "déchéance" toa voahongana ihany no dikan'izany amin'ny teny malagasy fa tsy haiko loatra indray raha amin'ny teny frantsay. Ny niantefan'ny eritreritra voalohany raha vao tontosa ilay izy dia hoe ny Mapar no nitarika io fombafombam-panonganana io noho ny nanonganana ny Birao Maharitra voalohany nibahanan-dry zareo ny sehatra, ny nialàn'ny filoha tanteraka amin'ny fiarahana tamin'ny Mapar, ny tsy nahazoan'i Andry Rajoelina na olona hafa ao amin'ny Mapar ny toeran'ny praiminisitra ary ny nanomezana fahalalahana miriaria ho an'ny filoha teo aloha Ravalomanana. Nodradradradraina amin'izay ny taimbava hoe tsy mahay afa-tsy ny manongana ve no ataon-dry Mapar sy ny tariny. Tonga amin'izay ny fanaterana ny fangatahana fanonganana teny amin'ny Lapan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalapanorenana vao kepoka ny Zanak'i Dada fa hay anisan'ny nikononkonona mangina tamin'ny fanonganana ny filoha ihany koa ny Tim. Fa inona no nitranga?

Azo heverina fa mora takarina ihany ny fahagagana mahazo ny Olon-tsotra Zanak'i Dada satria raha ny fotokevitra amin'izao dia tsy tia ilay fanonganam-panjakana amin'ny endriny rehetra mihitsy izy ireo. Maharesy lahatra kokoa ny Zanak'i Dada ny hoe mitady fitoniana sy fahamarinan-toerana ara-politika ny firenena fa efa mijaly loatra ny vahoaka. Mandeha ho azy ny fanondroana ireo depiote Tim hita sary nanatitra dosie teny Ambohidahy ho mpamadika, nefa tsy nitsahatra ny hagagana rehefa re fa toa ny depiote tim rehetra mihitsy no nanaiky ilay fanonganana. Tsy manana eritreritra mihitsy ny Zanak'i Dada fa mety hiara-dia izany tim sy mapar izany, aleon-dry zareo aza ilay fiaraha-miasa hvm sy tim no lefitra kokoa fa tsy ilay vondron'olona nanongana ny olona notohananao indray no iarahanao. Hatreto dia vondron'olona tsy hanaiky ny fahalalahan-dRavalomanana izany Mapar izany ary tsy mbola nisy fitenenana avy amin-dry zareo fa avelany ho afa-maina fotsiny amin'izao ny filoha efa nahongany. Amin'izao fotoana aza moa dia esoeso no azon'ny Zanak'i Dada avy amin'ireo mpandrangitra avy amin'ny mpanohana an'i Andry Rajoelina. Mbola maro noho izany no mihevitra fa diso lalana sy diso paika Ravalomanana raha sioka tokana avy aminy no nanaovan'ny depiote tim ny latsabatom-panonganana.

Dia miezaka ny tena hamantatra hoe inona no ahasahian'ny tim hiaraka hanongana amin'ny mapar. Tsy mbola ananana ny antony fa azo atao kosa ny manombatombana. Voalohany, andro vitsy dia vitsy taorian'ny Zaikabe tim no nanaovana ny latsabato ary nisy ny nanoratra fa naroso io zaikabe tim io, ho fanomanana ny fifidianana kaominaly ho avy. Faharoa, mbola nanatontosa ilay teniny tamin'ny fotoana nahatongavany ihany Ravalomanana hoe tsy mahandry ny 2018 izy "hananganana firenena vanona". Fahatelo, tsy hahasahy handrava velively ny Antenimieram-pirenena Rajaonarimampianina, rehefa fantany fa tsy mbola hahazo ny maro an'isa izy, fa ireto vondron'ny nanongana ireto no samy manantena handrombaka ny fandresena raha hisy indray ny fifidianana depiote. Ny mahavariana dia tsy misy fanazavana avy amin'ny depiote tim hatreto ilazany ny antony nanaovany ny latsabato fanekena fanonganana, ka lasa mampihevitra fa mpanara-driandrano fotsiny ry zareo fa tsy tompon-kevitra. Hafa indray ny fandehan-javatra raha hoe hanangana antenimieram-panorenana tendrena fa tsy hofidiana Rajaonarimampianina, saingy amiko manokana dia tsy hahavaha olana velively izany antenimiaram-paorenana hotendrena izany, tsy maintsy ho lalampanorenana sadasada hatrany no hivoaka avy eo noho ny marimaritra iraisana. Raha avy amin'ny fifidianana kosa indray dia azo vinaniana ihany ny fotokevitra tian'ilay voafidy nandritra ny fandresendahatra nataony.

Eto dia miankina tanteraka amin'ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana ny tohin'ny raharaha. Ny tena manokana dia mihevitra fa azo tsipahina tsy amin'ahiahy ity fangatahana fanesorana ny filoha ity satria sady tsy lasa adala no mbola afa-mandeha sy afa-miresaka mitombina tsara ny filoha. Tsy maintsy manova fihetsika sy manova ny ekipa ny filoha raha tafavoaka amin'izao sedra izao, ho hentitra ary tsy hanao kinanga amin'ny fitantanana ireo orinasa tantanin'ny fanjakana na ananan'ny fanjakana malagasy petrabola ampahany betsaka. Mety ny fanapahan-keviny tsy handrava ny antenimieram-pirenena mba tsy hanisy menaka ny afo narehitry ny sasany, ary hitony tokoa ny toe-draharaha rehefa tsy mamaly fihantsiana amin'ny fihantsiana. Hitonitony ratsy araka ny fiteny moa izany fa tsy hoe handry fehizay tsy akory. Hatreto aloha dia miditra anaty savorovoro indray ny fiainam-pirenena ary tsy afa-bela ao anatin'izay ilay toekarena efa marefo dia marefo.


Jentilisa 28 mey 2015, amin'ny 01:05 a.m. ora eto Antananarivo.


Hoy Ravalomanana hoe...

2014-11-01 @ 10:58 in Politika

Raha mahatsikaritra ny Malagasy mpanara-baovao indrindra ireo mpanohana an-dRavalomanana Marc dia misy karazan'olona mpamerimberina io fiteny io. Fomba fitenin'ny sasany amin'ireo lohandohan'ny mpisorona na akaiky ireo lohandohan'ny mpisorona amin'ireo heverina ho mpanohana io olona voatonona anarana io izany fanombohana fehezanteny izany hampandresena lahatra ireo sarambaben'ny mpanohana na hanapahana hatreo ny adihevitra amin'ny dingana manaraka tokony atao.

Hoy Ravalomanana hoe... Tahaka ny hoe nifampiresaka manokana ry zareo nefa tsy fantatra hoe taiza no nifampiresahana sady tsy misy finday ifampiresahana intsony any amin'ilay olona nolazaina fa niteny. Na iza na iza miteny toy izany dia karazany efa milaza mialoha sahady ny ao an-tsaiko ao hoe inona indray ny lainga holazain'ity olona ity? Tsy manana fomba hafa entina hanamarinana ny heviny sy izay tokony atao ireo karazan'olona ireo dia lazaina fotsiny ilay fanombohana fehezanteny.

Hoy Ravalomanana hoe... Tsy mandeha irery ny lainga fa misy tanjona ao ambadiky ny lainga apetraka mba handehanan'ireo mpanaraka ny mpomba an-dRavalomanana Marc any amin'ny lalana tsy izy mihitsy sy sarotra ivoahana ary natao hahapotika tanteraka ny lazan'ilay olona. Raha tsorina dia araka ilay fomba fiteny iray manao hoe "mampidi-kizo". Amin'izao fotoana izao dia ezahana fatratra ny hanadinoana tsimoramora ilay gadra atokan-toerana tsy avela hifandray amin'ny hafa.

Hoy Ravalomanana hoe... Ny mpamerin-teny matetika dia ireo efa manana toerana eo amin'ny fitondrana, na ao amin'ny iray amin'ireo andrim-panjakana ijoroan'ny firenena, tsy ilay toeram-boninahitra voalohany fa ilay eo ambanimbany kely eo. Mifikitra mafy amin'ny sezany, tahaka ny hoe votsotra io seza io raha vao tsy manao izay fitapitaka izay. Efa dridran'Ingilo anefa ilay fitenenana ka efa tsy mahataitra ny olona intsony, na izay koa no tanjona hoe tsy henoin'ny olona intsony izay lazain-dRavalomanana avy amin'ilay fanomboham-pehezanteny "Hoy Ravalomanana hoe..."

Hatreto ny teny farany nataon-dRavalomanana azon'ny rehetra hamarinina dia ny nandritra ilay valan-dresaka irery ihany tamin'ny fotoana nahatongavany teto Madagasikara. Tsy misy ny ankoatra izay. Famadihana tanteraka ny tolona ilay mbola mifikitra amin'ny fanohanana ilay fitondrana nefa fitondrana managadra sy manosihosy tanteraka ny zon'ilay olona nataonareo tohatra fiakarana hahazoanareo seza ny anarany. Tsarovy fa tsy noho ianao loatra no nifidianan'olona anao nandritra ny fifidianana fa noho ilay anaran'olon-kafa isaloranao. Mba hatraiza moa hatreto ny fifampiraharahana vitanareo tamin'ilay fitondrana mpanatanteraka efa zatra mametrapetraka sy mampiesona anareo? Fa dia inona loatra ny fifamatorana misy ao aminareo ao no dia mandrimandry manana aretina ianareo? Hiandry ny hanehoan'ny olona (mbola tsy miala amin-dRavalomanana) ny fankahalany tanteraka anareo ve ianareo vao ho taitra?

Hatreto dia fitakiana ny hamerenana ny fitsarana 7 febroary 2009 sy ny raharaha nialoha azy dia ny 26 janoary 2009 no takiako satria ao anatin'izany ny takian'ny filoha Ravalomanana. Tadiavina amin'izany fotsiny ilay hoe meloka tamin'ireo raharaha roa ireo ve izy? Tsy ilaina ny miampanga olona hafa ao anatin'izany fa ny ifandraisan-dRavalomanana amin'ny raharaha 7 febroary 2009 fotsiny no takiana. Dia takiana ihany koa ny itsarana an-dRavalomanana amin'ny raharaha 26 janoary 2009. Ankehitriny manko atao siosio tahaka ny "Hoy Ravalomanana hoe..." fa ilay fidirany teto Madagasikara lazaina fa "an-tsokosoko" ihany no itsarana azy.

Rahatrizay ka raha mbola ao anatin'ny fe-potoana azo ametrahana fitoriana ireo raharaha roa ireo, ka mivadika tampoka indray ny kodiaran-tsarety dia toriana amin'izay ireo olona nitarika ny hafa handroba sy handoro ny haino aman-jerim-panjakana sy ireo nitarika ny hafa hovonoina ao anaty fandriky ny araben'Antaninarenina manoloana an'Ambohitsorohitra. Tsy toy ny tamin'ny 1991 ny tamin'ny febroary 2009 ka efa nilazana mialoha ireo mpitolona rehetra fa hanao diabe hankany amin'ny Lapan'Iavoloha ka ireo mpitolona no mieritreritra na tokony handeha na tsia, fa ny tamin'ny 2009 nofitahana tamin'ny hoe hanafana ny fotoana hihira ao i Rossy. Ny sarambaben'ny olona no nofitahina fa ireo mpanentana ao amin'ny haino aman-jery tamin'izany fotoana izany no nampita ny hafatra miafina hoe "Operation Miraflorès". Fa inona ilay "Operation Miraflorès" na ataontsika hoe Bemidina Miraflorès? Lapam-panjakana iasan'ny filoha Venezoelana ny resaka ao ambadika ary ny raharaha nitranga tao tamin'ny 2002 no tena tiany hahatongavana. Tsarovy fa tsy adinonay ny tantara, raha raha tsy azonareo mpamaky moa ny tiako lazaina dia mety hanaovana lahatsoratra manokana ihany koa izany.

Jentilisa 1 novambra 2014



PS: toa efa nanoratra io Miraflores io aho fa mbola hokarohiko.

Raharaha Ravalomanana Marc : Ny tohiny no tena andrasana

2014-10-14 @ 09:01 in Politika

Nigadona teto an-tanindrazana omaly, tampotampoka, ny filoha teo aloha voahongana, Marc Ravalomanana. Samy baraingo ho an'ny rehetra ihany nandritra ny tontolo andro omaly ilay fomba fahatongavana fa efa misy tara-pahazavana kely ihany azo heverina hatramin'ny fotoana nanoratana.

Fantatra aloha fa tsy ho niafina ny nandehanany teto Madagasikara raha ny lafiny hoe toy ny mpangalatra ny nidirany teto fa tsy maintsy nisy firenena vahiny nandray anjara tamin'izany fampidirana azy teto Madagasikara izany. Raha raisina ny antsafa nifanaovan'ny filoha Ravalomanana tamin'ny mpanao gazety dia nisy ny filoham-pirenena saiky hanatitra azy saingy tsy nekeny izany fa izy tenany samirery ihany no tiany ho tonga teto. Raha raisina amin'izay lafiny iray izay dia azo heverina fa efa fantany tsara ny mety ho fomba rehetra hanakanana azy tsy higadona teto raha nisy ny filazana izany ankarihary teo imason'ny rehetra. Efa sosotra ihany ny tena tamin'ny Asabotsy alina raha nandre azy niteny hoe tsy ho ela intsony dia ho tonga izy, saingy hay tonga tokoa ranamana ny alatsinainy manaraka ny antso an-telefonina nataony. Tonga eto an-tanindrazana izy dia izay aloha aloha ny zavamisy, "eto aho izao!" hoy ny ambentin-teniny.

Efa fantatry ny rehetra ihany fa ankoatra ny tsy fahazoany ny pasipaorony dia tsy avelan'ny Fitsarana Afrikana Tatsimo hivoaka ny sisintaniny ihany koa ny filoha Ravalomanana noho ny fitoriana napetraky ny AV7 hoe nandripaka vahoaka izy. Tsy maintsy ho nahagaga ihany noho izany raha navelan'ny fitondrana ao Afrika Atsimo hody eto an-tanindrazana izy raha toa manana ny heriny ilay didim-pitsarana tsy mamela azy hivoaka raha tsy misy ny alalana manokana. Re (andeha atao hoe siosio) fa efa nakaton'ny Fitsarana Afrikana Tatsimo ity raharaha ity satria tsy nety nanome ireo singa fanamelohana ny mpitory ary tsy navela higadona eto an-tanindrazana ireo te-hanao famotorana ilay raharaha. Efa fantatra rahateo fa paika hitazonana azy tsy ho tafavoaka ao Afrika Atsimo io raharaha io ary niniana natao izay hampitarazoka ilay raharaha. Ankehitriny, re (siosio satria tsy manana fanampim-baovao ny tena!) fa nakaton'ny fitsarana tamin'ny herinandro ilay raharaha, tsy hay izay antony fa mety noho ny fiheverana hoe fitoriana tsy matotra satria tsy misy na inona na inona natolotra ary tsy misy na inona na inona eo ampelatanan'ny fitsarana ahafahana mampandroso ny raharaha ho any amin'ny fanadihadiana sy ny fotoam-pitsarana. Fotoana izany nohararaotina hanafainganana ny dia hodiana an-tanindrazana. Dia io izy tonga tsy nisy "fifampierana" io! Mariho hatreto fa tsy izao voasoratro izao no marina fa famakafakana avy amin'ny zavamisy fotsiny no atao.

Rehefa vita fotoana vitsivitsy moa ny antsafa nifanaovana tamin'ny mpanao gazety dia re fa efa nosamborina tamin'ny fomba mahery vaika ny filoha Ravalomanana, notifirina tamin'ny basy ny vavahadin'ny tranony hamohana azy. Notadiavina eran'ny trano izy ary nosakelehana sy nambanana basy rehefa nampidirina anaty fiara. Ny fandrenesana izany fitantarana izany dia ahatarafana fa tsy hoe fisamborana no natao, ary hatreto dia marina ny kabarin'ny filoha Rajaonarimampianina, fa fakana an-keriny, iny indray no tsy tafiditra anatin'ny kabary. Tsy nisy fotoana nandrenesana hoe :"Miangavy anao izahay hanaraka anay ianao!" na ny mifanahatahaka amin'izany fa dia ilay fihetsika voatantara teo no nalaza. Izay fakana an-keriny izay no nahatezitra ny maro, fihetsika tsy mendrika mihitsy, nefa ahatarafana sahady ny fihetseham-pon'ny mpitondra manoloana ity rangahy anankiray ity.

Raha vita ary ireo fihetsika ireo dia manao ahoana no tokony ho tohin'ny tantara, araka ny fahita hatramin'izay? Voalohany, raha tena resy lahatra amin'ny politikany fa tsy jamban'ny fitadiavan-tseza ireo vaventiventy tao aminy notolorana fahefana, indrindra fa hoe minisitra izy, dia tokony miala avy hatrany amin'ny governemanta tsy misy fifampierana, tsy mila fanontaniana na amin'iza na amin'iza. Manaraka izany ireo solombavambahoaka voafidy kosa tokony hanao fanambarana fa tsy ao anatin'ny sehatry ny fanohananana ny mpitondra intsony fa efa mpanohitra ny fitondrana noho ny fihetsika tsy mendrika natao tamin'ny mpitondrany. Ny ambiny, anjaran'ny tsirairay indray iny.

Na ho inona na ho inona dia maro no mitovy hevitra amin'ny fahasahian'ity filoha teo aloha ity nody na dia miandry azy aza ny didim-pitsaran'ny nandresy efa manameloka azy. Vitsy ihany no manana izany fahasahiana izany, satria efa hitan'ny rehetra ihany fa tezitra amin'izao fodiana amboletra izao ny ao amin'ny fitondrana. Sarotra ihany anefa ny hieritreritra fa tsy hisy tohiny ity raharaha ity ary efa niakatra ny soratra (amin'ny sarimihetsika) araka ny filaza fony tanora.


Jentilisa 14 oktobra 2014

Taratasy misokatra amin'ny Mpitarika ny movansa Ravalomanana!

2014-09-08 @ 11:55 in Politika

Nisy namoaka ity taratasy misokatra ity tao amin'ny Facebook ka nihazakazaka aho handika azy avy amin'ny teny anglisy araka izay azoko natao satria mety mba ilain'ny rehetra ihany manko izany.

Andriamatoa mpitarika ny Movansa Ravalomanana
Andriamatoa Minisitry ny Fambolena
Ramatoa Hanitra Razafimanantsoa
Ramatoa Filoha-Lefitry ny Antenimieram-pirenena
Antananarivo
Madagasikara.

Bruxelles, 20 aogositra 2014

Ramatoa, Andriamatoa,

Voalohany, azonareo angamba fa taorian'ny vanim-potoam-pifidianana, dia tsy hampiseho ny anarako aho ary homarihako va ny ato amin'ity taratasy ity dia vokatry ny famotopotorana nataon'ny mpiara-miasa amiko rehetra. Gaga tokoa izahay raha nahita fa amin'ny maha-mpitarika ny movansy anao ka nahazoanao ny toerana maha-minisitra, sy ny toerana maha-Filoha-Lefitry ny Antenimieram-pirenena anareo, dia amin'ny fotoana ahitana trangan-javatra mety hampihozongozona ny sezanareo ihany ianareo vao miteny amin'ny olonareo.

Tsy azonay mihitsy hoe maninona ny mpitarika an-dalambe sasantsasany no tsy azo ekena intsony hiresaka ao amin'ny toeranareo farany tao anatin'ny dimy taona, Ny Magro
Ny mamela ny olona hiresaka no fototry ny demokrasia.
Faly tokoa izahay raha nanolo-tena hiditra ao amin'ny fitondrana vaovao ianareo hampandroso an'i Madagasikara, saingy efa fantatry ny rehetra fa fametrahana ny fanonganam-panjakana ho ara-dalàna fotsiny ity fitondrana ity. Koa raha te-hanangana fanoherana mahafantatra tsara ny zavamisy araka ny nolazainy ny tena mpitarika anareo, ary fototry ny demokrasia ihany koa izany, saingy mazava hoazy fa tsy hisy intsony ny tombondahiny sy ny tombontsoan'ny tena manokana. Nahoana no tamin'io fotoana io indrindra ianareo no nankao amin'ny Magro na nandefa solontena, hilaza ny mifanohitra amin'izany?
Malahelo izahay hilaza aminareo fa tsy manaiky ny tetipanoronareo manohitra ny  mpitarika anareo izahay.
Ary ankehitriny, ho an'ny olona eny an-dalambe, tiako ny milaza raha misy ny olona ankoatra anareo mety hieritreritra mitovy aminareo, fa tsy afa-mitsabatsabaka ao amin'ny firenena izahay. Fantatray hoe inona no mitranga aminaeo ary manao izay rehetra azonay atao amin'ny fitaovana anananay izahay hanampiana anareo hanova ny toe-draharaha any Madagasikara. Saingy eo ampelatanan'i Madagasikara i Madagasikara na misy aza ireo olom-pahefana sasantsasany mieritreritra fa ho azony avokoa ny zava-drehetra.
Miangavy aza miraharaha ny fahadisoana eo amin'ny fitenenana teny anglisy izay tsy tenin-dreninay.

Avy amin'ny olompirenena eoropeana

P.S.: Raha hamaly ny taratasy misokatra, dia ataovy ao amin'ny kianjan'i Magro izany fa hisy ny hanao tatitra aminay.


Nandika kimaimaika i Jentilisa

 

 

...

7 febroary: andron'ny fifandranitana sy ny fifanirikiriana

2014-02-07 @ 21:26 in Politika

Tsy misy mahalala izay am-po tsy miloaka, fa na izany aza dia tsapa ihany fa ny fo no tena miasa rehefa miresaka ity datin'andro politika ity nefa odiana tsy fantatra mihitsy ny datin'andro iray mifanakaiky aminy dia ny 26 janoary satria mivandravandra be hoe iza no tompon'andraikitra tamin'ny fandrobana sy ny fandorana toerana maro teto Antananarivo sy nanerana an'i Madagasikara. Miharihary ihany koa anefa fa ataon'i Andry Rajoelina ho fitaovana politika hitadiavan-tseza ilay datin'andro... ary ny sary ahitana ny loko nandravaka ny kianja mitafon'i Mahamasina no mandravaka izay zavatra miharihary izay. Fahatsiarovana ireo nodimandry notifirin'izay mbola nampanontany tena hoe avy aiza tokoa ve no natao sa fanandratana olona iray? Fotoam-pivavahana ve no natao sa famendrofendroana sy fanamelohana tsy mitsahatra an'i Marc Ravalomanana?

Na dia miezaka ny handresy lahatra aza ny ankamaroan'ny haino aman-jery eto Madagasikara fa manamarika andro lehibe teo amin'ny tantaran'i Madagasikara ny andron'ny 7 febroary dia tsy resy lahatra amin'izany kosa ny ankamaroan'ny olona, ary tafiditra amin'izany ny tenako, fa famitaham-bahoaka hanaovana sorona azy hahazoan'ny sasany ny fahefana sy hanalana baraka izay nitondra ny firenena iny andro iny. Na impiry haverimberina amin'ny haino aman-jery isan-taona aza ny 7 febroary sy ny fanamelohana an'i Marc Ravalomanana natombok'i Andry Rajoelina tamin'ny alalan'ny antso an-telefonina an-dranomasom-boay dia tsy hitondra na inona na inona ho amin'ny fampandrosoana ny firenena sy ny fihavanan'ny Malagasy na oviana na oviana ny fankalazana azy ity fa fisaraham-bazana aza no haterany.

Nazava ny tanjona nanaovana ny 7 febroary: hanaovana sorona ny vahoaka ka lohalaharana amin'izany ny PM na Premier Martyr Monja Roindefo saingy soa fa tsy maty ranamana iray io ka afaka nijoro ho vavolombelona taty aoriana fa notadiavina mihitsy ny hahafaty azy tamin'io andro io. Antony nentina handresena lahatra ny olona hataon'ireo nitady ny fahefana ny sorona amin'izany ny hoe halaina hatao biraon'ny praiminisitra ilay lapa satria hoe fananan'ny Kaominina izy io, hoy i Andry Rajoelina. Fanontaniana tampoka: an'ny Kaominina tokoa ve ilay lapa amin'izao fotoana izao? Aza mba manaiky fitapitahana ho'aho rey olona fa voin-tenanareo ny nanaiky ny hangaron-dapa... Teny mivantana mankarary izany soratako farany izany ka izay no amerimberenako hoe raha mbola hankalazaina fatratra toy izao ity andro iray ity dia ho amin'ny fifandranitana sy ny fifanirikiriana eo amin'ny tsy mitovy hevitra amin'ity raharaha ity no tanjona nanaovana azy!

Jentilisa 7 febroary 2014

Tsy nety natao saribakoly i Hery Rajaonarimampianina!

2014-01-29 @ 20:44 in Politika

Somary hafa mihitsy ny fizotry ny toe-draharaha politika eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Raha tantara tsangana dia efa tena eo amin'ilay mampitaintaina indrindra izy amin'izao fotoana izao. Heverina hoe ho tapitra ihany ilay tantara nefa toa tsy araka izay niheverana azy araka ny piesy teathraly malagasy (nametahana ilay anaram-panesoana hoe tantara gasy). Ilay kandidà resy tamin'ny fihodinana faharoa tamin'ny fifidianana filoham-pirenena no tena voapetaka ho saribakoly kanjo ity nandresy no tsy manaiky ho atao saribakoly araka ny itiavan'ireo nilaza fa nifidy azy satria io no notohanan'i Andry Rajoelina. Olombelona io ary manana ny maha-izy azy raha eo amin'ny mari-pahaizana aloha!

Tsy teto Antananarivo ny tena noho ny raharaham-pianakaviana fa tany Fianarantsoa tany nandritra ny androm-pianianana sy fametrahana an'i Hery Rajaonarimampianina ho filoham-pirenena tetsy Mahamasina. Niezaka ihany anefa nijery ny vaovaon'ny TVM ny zoma, andro lazaina ho famindram-pahefana, sy ny Asabotsy, androm-pianianana. Tsy nanaraka ny "mivantana" fa ny vaovao hariva ihany no nenjehina mba hamantarana izay ambangovangom-baovao fa tsy hiraharaha kosa izay fomba filazan'ny mpanolotra eo. Ny zoma aloha dia gaga ihany nahita ilay lazaina ho famindram-pahefana nefa fanolorana lakile lehibe sy fideraderan-tena nataon'ilay filohan'ny tetezamita sy ny fanndrahindrana avy amin'ireo mpitolona mafana fo nasaina no tena nisongadina. Tsy haiko aloha fa toa niverina indroa izay ilay vaovao tamin'io alin'ny zoma io tamin'ny resaka teny Iavoloha. Fanasongadinana an'i Andry Rajoelina manontolo ilay fotoana, dia hita mihitsy hoe efa nomanina tamin'ny toerany ireo mpaka sary, fa dia tena sarimihetsika vita, mampiseho ny fahaizana serasera amin'ny vahoaka no hita. Teto no nahitana voalohany fa nisy ny famasohana sahady ny filoham-pirenena vaovao. Vita ihany iny ny andro zoma!

Tonga indray ny Asabotsy, tsy araka izay vinavinako (any amin'ny lahatsoratro nivoaka avy tao akaikin'Ambohimahasoa tao) ny fizotran'ity andro ity. Tsy nahasahy nitondra ny olona teny Mahamasina ireo mpitarika ny ankolafy Ravalomanana sy ny kandidà Robinson. Natahotra ny isian'ny gidragidra ve sa hoe sao manao ny ataony ny mpitandro ny filaminana? Amin'ireny fotoana ireny anefa no tsy ho sahy mihoa-pefy ireo mpitandro ny filaminana ireo, satria maro ny manampahefana manatrika eo, ary tsy azo tsinontsinoavina ihany koa ny fanatrehan'ireo olo-manakaja vahiny. Izay koa anefa no tsy nahafeno ny kianjan'i Mahamasina. Fihetsika tsy mampiasa herisetra anefa no natao teny raha tena nahavita nampiseho ny fahaizany mitarika ireo lohandohan'ny ankolafy Ravalomanana. Ny fijeriko manokana noho izay vita izay no ahasahiako milaza fa efa tsy izy intsony ireo mpitarika ny ankolafy Ravalomanana ireo, miady ho amin'ny tombontsoany amin'ny fitadiavana seza  fa tsy mahay mitarika na mandresy lahatra ny olony. Tsy mihaino izay mety ho tolo-kevitra avy amin'ireo olon-tsotra nefa tsy manana paika mahomby sy mahasintona ny tanora izay mety ho nivonona mihitsy ny hanao ilay fihetsiketsehana.

Mifanila amin'izany anefa dia ny mpanohana an'i Andry Rajoelina indray no nanao ilay zavatra nandrasako hataon'ny ankolafy Ravalomanana fa nataony araka izay mahamety ny azy ilay izy. Raha nanoratra aho hoe ny fanoherana ny didim-pitsarana miangatra no asongadina amin'ny alalan'ny sioka sy horaka tsy fankasitrahana, tsy ilaina kosa ny misiotsioka mandritra ny fianianana ataon'ilay filoha vaovao dia hafa kosa no fomba nitondran'ny mpanohana an'i Andry Rajoelina azy. Araka ny novakiako taty amin'ny tambajotra sosialy, satria anterina fa tsy nanatrika ny tena ary tsy nanaraka mivantana tamin'ny fahitalavitra ihany koa, dia itehafana mafy hatrany ny fisehoan'i Andry Rajoelina mivady na/sy ny Pere Pedro avy ery Andralanitra fa novasohana indray tamin'ny alalan'ny rodorodo fivoahana ny kianja vantany vao vita ilay fianianana ilay filoha vaovao. Tiana nampisehoana tamin'ny alalan'ny sary fa i Andry Rajoelina no tena ankasitrahan'ny mpanatrika fa tsy io rangahy napetraka ho filoha io. Amin'iny lafiny iray iny dia mahery sy mahatarika olona hatrany ny avy amin'ny mpanohana ilay filohan'ny tetezamita ary vereziny hatrany ny ao amin'ny ankolafy Ravalomanana.

Dia nisy ihany koa moa iny toe-javatra mampalahelo tamin'ny fanapoahana grenady iny izay na ny ankolafy Ravalomanana na/sy ny kandidà resy tamin'ny fihodinana faharoa, Jean Louis Robinson, no tiana ampangaina eo imason'ny vahoaka (any amin'ny faritany indrindra indrindra) sy izao tontolo izao ho mpampihorohoro sy tsy miraharaha ain'olona. Ivereno jerena, ho an'izay tsy mahatadidy, fa olona mainty fihodirana no tena tratran'ilay grenady (tetika fampisaraham-bazana sy ho fandresen-dahatra fanampiny fa ny ankolafy Ravalomanana tokoa no mety ho niavian'ilay famonoana olona maro), ary tadidio ilay resaka fa olona fotsy fihodirana (tsy hay intsony na vazaha na tsia!) no atao malaza fa nandefa ilay grenady. Mihabetsaka anefa ireo resy lahatra kokoa fa avy amin'ireo malahelo ny seza ho votsotra no azo sainina kokoa ho niavin'ilay famonoana olona (fa tsy fampihorohoroana araka izay efa nosoratako farany). Vao maika moa nanampy trotraka ny fahitana fa tsy ny ankolafy Ravalomanana sy ny mpifidy azy no hametraka olana amin'i Hery Rajaonarimampianina amin'izao fotoana izao na dia tsy levon'ny vavoniny aza ny fisian'ny hala-bato nahavoafidy ity farany fa ireo nilaza ho nanohana indrindra an'i Hery Rajaonarimampianina ka mitady hibaiko azy amin'izay tokony ataony... sy mitady hanohy hatrany ny gaboraraka tamin'ny tetezamitan'i Andry Rajoelina.

Amin'izao fotoana izao, ny hany nahadiso fanantenana ireo tsy nifidy an'i Hery Rajaonarimampianina tamin'ny fihodinana faharoa, dia izay tsy nahalany fotsiny ilay kandidà nofidiany, fa mamela ilay voafidy malalaka kosa hanao izay vitany ary mijery taratra ny ho fizotry ny raharaha. Mety hoe noho ny tsy fanantenana zavatra loatra ihany koa no mahakely ny fahadisoam-panantenana. Saingy ny fihodin'ny toe-draharaha no mety hampivadika ilay faharesena ho fandresena tampoka satria toa maneritery hafahafa lasa mandray ny toeran'ny mpanohitra sahady ny filohan'ny tetezamita. Raha ny antso fanao amin'ny radio sasantsasany no henoina dia maro sahady no diso fanantenana tamin'ireo nifidy an'i Hery Rajaonarimampianina tamin'ny fihodinana faharoa, sady milaza tena ho mpitolon'ny 2009... satria hoe toa mitady hitsipaka ny filohan'ny tetezamita ity filoha vao voafidy ity. Ny hany azo ambara dia hoe raha be loatra ny fanerena na faneriterena an'io kandidà efa lasa filoham-pirenena io dia safidy roa ihany no azony atao: na manaiky izay baiko rehetra omen'ireo milaza fa nampandany azy ka tsy tsy hanana ny mahaizy azy intsony ilay olona ary lasa saribakoly fotsiny na lasa mitady namana hafa asolo ireto olona tsy manaja ny atao hoe fahafahana sy fahalalahana ireto dia mazava loatra fa izay matanjatanjaka hafa no itodihany kokoa iarahany miasa. Tsy ho mora anefa ny ho vokatr'izay fanapahan-kevitra amin'ny safidy natao izay fa mety hihatra aman'aina mihitsy. Raha sanatria sanatria anefa mitranga izay safidy mihatra aman'aina izay dia efa azo vinavinaina ny niaviany nefa mazava loatra fa mbola ho vondron'olona hafa hatrany no hampangaina ho nanao izany dia mety ho avy ny filazana hoe "tsy mahatanty resy dia mamono olona araka ny fanaony!" Enga anie tsy ho tonga amin'izany...

29 janoary 2014

Iza no mahazo tombontsoa amin'ny baomba mipoaka?

2014-01-25 @ 20:42 in Politika

Tohina ny fo ary tsy misy izay tsy tezitra raha nandre ilay baomba nipoaka ny alin'ny asabotsy 25 janoary 2014 teo amin'ny fiantsonan'ny fiara eo amin'ny tsenan'ny voninkazo, ampitan'ny lapan'ny antenimieran-doholona Anosy. Raha kibaombabaomba natao fihomehezana no nisy tao anatin'ny
tetezamitan-d Rajoelina dia mivadika zavatra hafa ilay izy amin'izao andro voalohany nandraisan'i Hery Rajaonarimampianina ny fahefana maha-filohan'ny Repoblika azy izao.

Olon'ny fo ny Malagasy ary malahelo hatrany amin'ny zavatra mitranga toy ireny. Misy ihany koa anefa ny zavatra manahirana sy mahasosotra ny mihaino azy. Aty Fianarantsoa moa ny tena ary gaga ihany nahita ny Emmoreg nifanaretsaka etsy sy eroa sy mahita ny eny an-toby miantrana amim-basy avokoa. Dia nanontany olona hoe fa misy inona? Namaly moa ilay mpitondra taxi hoe ahiana hanao fanakorontanana hoe ny zanak'i dada amin'ity andro fanokanana filoha vaovao ity. Namaly moa aho tamin'izay fotoana izay hoe sady tsy manana saina sy hery hanao izany ho'aho ny zanak'i dada no tsy avy aminy ihany koa ny hery sy fitaovana hahavitany izany.

Eto aho vao lasan'eritreritra hoe matoa izany natao ny fihetsiketsehana hitamaso hitako taty Fianarantsoa dia efa fanomanan-tsaina ny olo-tsotra sahady hoe raha vao misy fanakorontanana sy famonoan'olona tahaka izao nitranga izao dia ny ankolafy Ravalomanana no nanao izay. Manontany isika ary ankehitriny hoe iza tokoa ary no tompon'antoka ary iza no tena tiana ampihorohoroana?

Eto aho dia mitovy hevitra amin'ilay mpanao gazety Rosiana (tsy tadidiko ny anarany fa lahatsoratra vao nivoaka ao amin'ny global voices teny malagasy ao izany fa finday no anoratako izao) naneho ny heviny mazava tsara hoe tsy fampihorohoroana ny tranga toy izao fa famonoan'olona tsotra izao. Ny fampihorohoroana dia misy fanambarana avy amin'ny vondron'olona iray fa izy no tompon'antoka tamin'ilay toe-javatra ary lazainy manaraka ihany koa ny zavatra takiany avy eo. Eto izany dia tsy fampihorohoroana no mitranga fa famonoan'olona fa raha misy ny tena lasibatra tiana ampihorohoroana dia ny zanak'i dada izay. Efa voahoso-potaka avy hatrany anefa ry zareo noho ilay fahaizana manasa ny lohan'ny vahoaka. Nataon'ny sasany sorona ny ain'olona tsotra nefa tsy ny ankolafy Ravalomanana velively no hahazo tombontsoa amin'izany tranga manafintohina izany.

Raha niverina tamin'ilay mpanao gazety nifamaly tamin'ilay bilaogera Rosiana hardungish ihany aho, dia hoy ranamana hoe sampana na vondron'olona avy amin'ny hery manokana miankina amin'ny fanjakana ihany no tompon'antoka amin'ny tranga toy ireny ho famoretana ara-tsaina ny vahoaka ka milamina sy tsy sahy mihetsiketsika ny olona. Tsy haiko aloha na azo eritreretina ho mitovy amin'ilay mpanao gazety izay ny tranga eto amintsika na tsia fa izaho araka ny efa nosoratako dia resy lahatra tamin'ilay filazan'ilay mpanao gazety.

Olona manahy ho very tombontsoa, sady efa fantatsika rahateo fa vao miova filoha mpitantana isika izao, no mety hahavita sy hahatontosa ny toy izao sady mbola eo aminy soa aman-tsara ny fitaovana hahavitany izany. Raha vantanina ny resaka dia tsindry atao amin'ny filoha vaovao ny tahaka izao satria mitady hieritreritra hiara-miasa amin'olona hafa ranamana ka fampitandremana io. Isika rahateo mahalala fa tsy ho afa-miova ao anatin'ny indray mi-pimaso monja ny mpikambana governemanta sy ireo tale isan-karazany any amin'ny minisitera tsirairay any.

Iza no mahazo tombontsoa amin'izao famonoan'olona izao? Izay no fanontaniana. Ny azo heverina avy hatrany ho voa mafy kosa dia miharihary fa Ravalomanana satria azo sakanana na ahemotra ao anatin'ny fotoana tsy voafetra ny fahafahany mody... raha misy ny korontana. Afa-mitanisa indray isika amin'ny hoe iza avy no mahazo tombontsoa amin'ny tsy fahafahan-dRavalomanana Marc kanefa handany fotoana (sy vatoaratra) ho ahy ny hitanisa azy ireo fa efa samy mahafantatra rahateo isika.

Na izany na tsy izany tsy afa-manendrikendrika na iza na iza isika fa dia mitondra ny fampiononana ny havan'ny maty ary mirary fahasitranana ho an'ireo maratra noho ny asa-ratsin'ireo tsy mataho-tody.

Fianarantsoa, 25 janoary 2014


Andao ho any Mahamasina!

2014-01-23 @ 14:18 in Politika

Mety hahagaga anareo ny zavatra soratako nefa dia izay mihitsy no lazaiko etoana. Heverinareo ho famadihana ve sa fiovan-kevitra izany resako izany? Aza maika ny hitsaratsara fahatany fa miangavy antsika rehetra hamaky hatramin'ny farany izqay soratako etoana.

Amin'izao fotoana izao aho tsy mahalala izay programan'i Jean Louis Robinson na ny movansy Ravalomanana amin'ny lazaina ho fihetsiketsehana lehibe hotontosainy rahampitso fa hevitro manokana ny holazaiko. Hevitra tsy iraisana na amin'iza na iza. Tsy mahafantatra izay any an-tsain-dry zareo aho (vakio ny lahatsoratra bilaogiko omaly) fa raha izaho no mpanapa-kevitra dia izao no nataoko:

Raha amin'ny folo maraina ny fotoam-pianianana ao Mahamasina dia adiny iray sy sasany na adiny iray mialoha no hamoriako izay mpanaraka ahy any amin'ny toerana mahazatra fa hiaraka rodobe ho any Mahamasina avy eo. Tsy hila ady amin'ny vahoaka efa nandeha mivantana nakany sanatria, satria vahoaka ny olona any ary nasaina ho any ny vahoaka tsy ankanavaka, fa haneho amin'ny fomba tsy ampoizina ny maha-vahoaka ahy ihany koa. Tsy hifandrafy na hampiasa herisetra na oviana na oviana saingy manankambara amin'ilay andrim-panjakana nanasa ahy amin'ny maha-anisambahoaka ihany koa. Rehefa maro sy tafaraka ny mpiara-mitolona dia tsy misy tokony hanakana ahy sy ny mpiara-mitolona amiko tsy ho eny. Manaiky soa aman-tsara ny hosavaina sy hanaraka soa aman-tsara ny arofenitra rehetra afa-tsy amin-javatra tokana monja: hihorakoraka sy hisiotsioka tsy mitsahatra aho mandritra ny fotoana hitenenan'ireo Mpitsara rehetra satria ireny no nanao tsinontsinona ny fitarainako sy ny fitakiako, sady tsy nitandro ny fampanjakana ny lalAna sy ny sazy tokony hifandraika amin'izany fa toa maika ny hampandany olona iray monja. Hangina sy tsy hiloa-bava kosa mandritra ny fianianana satria karazany sata amin'ny firenena demokratika kosa iny. Tsy mila tora-bato sy herisetra koa izany nefa hanana ny akony manerana ny firenena sy iraisampirenena kosa. Tsy misy tanjona hanakanana ilay fotoana izany fa fanehoana alahelo ho fampieritreretana fa misu vondron'olona tadiavina tsinontsinoavina kosa.

Tsaroana eto ny 28 marsa 2009 nanenjehana sy nandravan'ny miaramila ny fihetsiketsehana teo Andohan'Analakely sy Ambohijatovo. Tsaroana ihany koa ny herintaona taty aoriana io, mbola nankeo ihany ny zanak'i dada hitondra voninkazo teo saingy nosakanana satria ny an'ny FAT no apetraka eo aloha ka nampisy ny sahotaka teo ihany satria saiky nisy ny nanao sotasota saingy tsy nanaiky lembenana ny zanak'idada tamin'io fotoana io.

Tsaroana eto ihany koa ny 26 janoary 2009 nampanginana tanteraka tamin'ny alalan'ny fandorana ny tvm sy ny mbs ka ny fotoanan'ny 25 janoary indray no hampitana mivantana ho ren'ny firenena ny feom-bahoaka iniana ampanginina ny feony. Fa atao amin'ny fomba milamina izany satria tsy tia sotasota ny zanak'i dada.

Vinavinako samirery io ary tsy manana radio na tele handefasana izany aho fa revirevy fotsiny io. Tsy misy dikany raha efa fotoanan'ny revy vao ho tonga eny satria ilay saimbolika ihany no tena tadiaviko satria ho filoha hatrany tsinona Atoa Hery Rajaonarimampianina. Heveriko ho familiviliana ny fanehoako ilay hevitro kosa ho henon'ny rehetra ny fotoana hafa.

Revirevy fotsiny io fa tsy fantatro izay hataon'ny ankolafy an! Ka faranako ny lahatsoratra hoe : Andao ho any Mahamasina rahampitso fa mihaona eny amin'ny magro aloha ary tsy misy tokony hanafenana ny hankanesana mankeny.

Near Ambohimahasoa RN7,


Ho fitadiavan-tseza ve?

2014-01-22 @ 20:42 in Politika

Antokonam-baravaran'ny fametrahana amin'ny fomba manetriketrika ny ho filoham-pirenena vaovao isika eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Na tsy hita mivandravandra amin'ny fiteny na fihetsika mahery vaika aza dia misy ihany ny fisarahan-kevitra.

Hojerentsika izany toe-javatra izany. Misy ireo mahatsapa fa nisy ny halabato sy ny faneriterena nampiova be dia be izay ho fizotry ny vokatr'ilay fifidianana, ary resy lahatra amin'izany ny tenako.

Misy kosa anefa ireo manitrikitrika fa na dia misy aza izany halabato izany dia tsy nampiova inona loatra izany fa lany amin'ny fomba demokratika ny filoha, nohamafisin'ny fitsarana manokana momba ny fifidianana izany ary efa mankato izany ny iraisampirenena ka tsy misy dikany intsony izay fihetsiketseham-panoherana ilay voka-pifidianana.

Koa raha eo ary izany rehetra izany, manana paikady hahafahana mandiso izany fiheverana ankapobeny izany ve ireo mpitarika milaza fa manohitra izany voka-pifidianana sa seho ivelany fotsiny izany hitadiavan-tseza maromaro kokoa na ambony kokoa (ny toeran'ny filohan'ny mpanohitra)? Tahatahaka ahoana tokoa ilay lazaina ho paika mahomby iandrasana herinandro fotsiny? Samy hahita izany isika rehetra.

Soratra teny ambony bus moa ity ka tohizana @ manaraka raha mbola misy fotoana.


Manangam-pahavalo

2014-01-13 @ 20:26 in Politika

Tsaroako nisy fotoana, na dia efa ela aza izany, nanoratako tamim-bilaogy ny toe-tsain'ny tafika nandritra ny nanaovana ny fanompoam-pirenena ivelan'ny tafika.

Ampahatsiahivina indray fa mety tsy ho tadidinareo intsony ny hoe i Afrika atsimo no firenena raisina hatrany ho fahavalo. Afrika atsimo no firenena ahiana hanafika antsika. Ny zavatra na fanazarantena rehetra natao noho izany dia ho fiandrasana ny fananiham-bohitra ataon'i Afrika Atsimo.

Mety tsy ho ao an-tsain'ny tafika velively noho izany fa mety ho fahavalo akaiky antsika indrindra io Frantsa mihodidina antsika mibodo ny nosikely tokony ho anjara tanintsika io. Raha misy ny firenena mifandrafy tombontsoa amintsika dia i Frantsa.

Karazana revolisiona noho izany ny tamin'ny andron-dRavalomanana Marc raha nametraka fiaraha-miasa ara-tafika tamin'i Afrika Atsimo io filoha io. Tsy maintsy misy ny tsy mahazaka izay fiaraha-miasa izay tao amin'ny tafika tao ary mihevitra hatrany an'i Marc Ravalomanana ho fahavalo. Mandritra izany fotoana izany mbola mitohy ny fiaraha-miasa tamin'ny Tafika Frantsay.

Mety misy ny mahatadidy ny hafalian'ny tao amin'ny tafika tao rehefa nolazaina ampahibemaso fa tazonina ny ambatatongan-drafitra. Midika izany fa nisy finiavana hanova rafitra ihany tao amin'ny tafika tao fa nilefitra ihany ny filoha tamin'ny farany. Lazaina ho mbola nisy tsy nahazaka ihany koa ny nanaovana ny minisitry ny fiarovam-pirenena ho vehivavy ary lazaina ho anisan'ny nahatonga ny fanonganana an-dRavalomanana ihany koa izany. Raha dinihina anefa dia ny fomba nanazaran'ny cooperants miaramila frantsay ny tao amin'ny tafika tao mihitsy no nanolokoloana ny fankahalan'ny miaramila an-dRavalomanana ka tongany hatrany amin'ny fanonganana azy tamin'ny 2009. Ary mbola mitohy izany amin'ny fankahalana ny "Zanak'i dada".

Gaga sy talanjona manko ny tena tamin'ny fanondroana ny zanak'i dada ho nikononkonona "alatsinainy mainty" raha vao nanomboka kely ny taona. Tsy manana olona hahavita ny toy ny tamin'ny 26 janoary 2009 tsy akory ny zanak'i dada ary tsy hahasarika olona hotarihina hanakonana ireo andian'olona nokaramaina hamaky ny tranombarotra sy ny orinasa fotsiny tsy maka na inona na inona fa ny olona vao nangonina tamin'iny andro iny no asaina maka izay zakany.

Fa raha napetraka tamin'ny andron'ny revolisiona sosialista ny fankahalana firenena vahiny tao amin'ny tafika (miaramila sy zandary) dia efa vondron'olona ato amin'ny firenena indray antsoina hoe zanak'i dada no natsangana ho fahavalo hatramin'ny nijoroan'ny tetezamita.

Ahoana no mahatonga izany fankahalana olona ato anatin'ny firenena izany ary mety ho tonga hatraiza ny vokatr'izany fankahalana izany raha mbola mitohy izao kolokolom-pankahalana olona ao anatin'ny tafika izao?

Rehefa tontosa ny fanonganam-panjakana nataon'ny tafika tamin'ny 2009 dia tsy nanana hery hianteherana ny legalista tamin'izany fotoana izany ka niantso ny SADC hiditra an-tsehatra eto Madagasikara. Vao miresaka SADC anefa dia Afrika Atsimo no ao an-tsaina voalohany, ilay firenena efa notondroina tao amin'ny tafika ho fahavalo mpananim-bohitra. Na dia niova aza ny tantara tao Afrika Atsimo ary efa foana ny Apartheid tany dia tsy nanova na inona na inona tamin'ny fomba fijerin'ny Tafika Malagasy izany toe-javatra izany. Koa raha miantso ny idiran'ny SADC ny legalista dia noraisina ho fahavalo anatiny teo anivon'ny tafika ary iny nahariharin'ny lehibem-paritry ny zandary teto Analamanga iny. Mariho anefa fa tsy fiaraha-miasa ara-barotra ihany ny ao amin'ny SADC fa fiaraha-miasa ara-tafika ihany koa.

Nihamafy ny tolona nataon'ny legalista tamin'ny 2009 ary nitadiavana fomba hamotehana azy. Fomba roa no natao dia ilay resaka baomba hanendrikendrehana hatrany izay mpitarika legalista lasa ankolafy Ravalomanana sy ny fanolikolena ireo mpitarika ireo hamily lalana ny tolona... na dia nahomby aza ireo tetika ireo dia mbola betsaka hatrany ny mpankasitraka ilay fitondrana naongana. Na izany na tsy izany efa nasisika tsimoramora ihany ny fampitoviana ny zanak'i dada amin'ny mpampihorohoro.

Mety ho tonga hatraiza indray ity fametrahana ny zanak'i dada ho fahavalo, na mpampihorohoro, na hoe mpanakorontana ity? Tombatombana no apetraka nefa avy amin'ny zavatra hita ihany no hanatsoahana izany ary ny zava-niseho tany Mahajanga tamin'ny nahasahian'ny emmoreg nitifitra tamin'ny bala tena izy ny mpianatra no mari-panondroana hahafantarana izay hataony.

Nahariharin'iny fihetsika iny fa efa vonona ny handripaka ny mpiray tanindrazana aminy ny ao amin'ny tafika ary azo avoaka tsy amin'ahiahy ny voka-pifidianana izay efa malaza fa feno hosoka iny ary efa nahasahiako niteny fa na izaho izao aza zary mahay tsy fidiny ny fomba fangalaram-bato.

Efa vonona ny tafika hampandry fahalemana ny tany sy tsy hitsitsy an'ireo rehetra tsy manaiky ny voka-pifidianana. Efa natsangany ho fahavalo rahateo ireo ka tsy hananany antra rehefa miseho mamaly. Tsarovy anefa fa tsy voatery ho izay eritreretina ihany no hitranga.

Jentilisa 13 janoary 2014

 

Ataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko?

2014-01-04 @ 10:31 in Politika

Izany teny izany no atolotra anareo ho fiarahabana nahatratra ny taona 2014 sy hanolorana ihany koa ny firariantsoa tsy ankanavaka ho anareo rehetra. Teny hafahafa toa tsy mifanaraka amin'ny vanim-potoana ve? "Ataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko?" Mbola teny ao amin'ny baiboly ihany koa, avy amin'ny vavan'ny vehivavy iray, te-hiaro ny mpiray tanindrazana aminy. Hotantaraiko ho anareo ihany anefa ny anton'izany soratra izany.

Nandia fifidianana ho filoham-pirenena fihodinana faharoa sy solombavambahoaka isika tamin'ny volana farany tamin'ny taona 2013 teo. Ankehitriny isika mandingana ny taona 2014. Taona fifampirariantsoa, nefa tsy mety tafandry noho ny toe-draharaha politika eto amin'ny firenena ny tena. Sambatra ianareo izay tsy tratran'ny viriosin'ity politika ity, fa tsy manohintohina ny fanaonareo andavanandro izay mihatra amin'ity firenena ity, ary tsy ataonareo mankarary fo izay zava-mitranga rehetra. Ny anay kosa toy ny ozona fa tsy maintsy manoratra rehefa misy ny manery, tsy ambanana basy sanatria, fa ny ao anaty mihitsy no tsy mahay mamela fa manakana anao hanao zavatra hafa mandrapanoratray sy mandrapampitanay ny eritreritra ao anaty ao. Izay ve ilay hoe tsy mety mandry ny saina?

Efa nanoratra aho fa anjaran'ny ceni-t sy ny ces no manao izay hampilamina ity firenena ity. Tsy hoe sanatria hibaiko azy ka hampandresy izay nofidiana fa mitady kosa ny hanomezana ny mangarahara ho hitan'ny rehetra mba ho eken'ny rehetra ny valim-pifidianana dia hilamina kokoa ity firenena mamintsika rehetra ity. Rehefa mangarahara ny vokatra ary voaisotra avokoa ny hosoka sy ny sandoka rehetra dia inoana ny isian'ny filaminana eto amin'ny firenena. Tsy izany velively anefa no mitranga ka mahatonga ny tena handray penina miaraka amin'ny teny mihalohalo manao hoe "Ataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko?". Tsy milaza zavatra hitranga eo noho eo izany fa milaza zavatra hoavy. Fa hoavy mandrapahoviana anefa?

Naleoko, raha tena mitady filaminana ho an'ny tanindrazantsika tokoa, manaiky hatrany hanao izay handresena lahatra ny rehetra amin'ny alalan'ny porofo mivaingana fa tsy amin'ny alalan'ny teny manidina hoe efa nataonay mangarahara ny famoahana ny vokatra nefa tsy hitan'ny olona akory izany "ezaka" nataonao izany. Efa ananan'ny fomba fitenenana malagasy ny hoe "ny toky [teny] fitaka fa ny atao no hita", noho izany efa zava-niainan'ny Malagasy ny fisian'ny mpamitaka amin'ny alalan'ny teny sy ny mpandrebireby fa ny fanatanterahana amin'ny alalan'ny asa ihany no ankatoavin'ny rehetra.

Naleoko nandany fotoana kely, raha tena mitandro ny marina tokoa, miara-manisa ny vokatra, sy miara-mijery izay tokony narenina fa tsy mihazakazaka amin'ny tsy antony fa hivarina any amin'ny hantsana. Naleoko afa-po tsara amin'ny zavatra takiany amin'ny fampitahana ny vokatra ny andaniny sy ny ankilany dia tsy miteraka adihevitra lava mety hampisavorovoro ny fiaraha-monina intsony ny vokatra navoaka. Saingy tsy izay no lalana nosafidian'ny ceni-t fa maika ny hilaza hamoaka ny vokatra feno izay tsy misy na inona na inona fantatra amin'ny fikajiana azy fa toy ny avoaka petatoko fotsiny. Tsy izay manao izay hampilamina ny rehetra no lalana nodiavin'ny ceni-t fa lasa mahatonga ny ahiahy hoe tsy ny hanatontosa fifidianana marina sy tsy miangatra no nataony fa ny hampandany izay nobaikoana taminy holaniana.

Tsarovy ry ao amin'ny Ceni-t fa vantany navoakanao ny vokatra feno, ary tsy misy intsony ny lalana hiarahan'ny rehetra manisa ny vokatra marina dia mpandray anjara fototra amin'ny fampiadiana ny olona eto amin'ny firenena ianao, mpandray anjara fototra amin'ny fanakorontanana ny firenena ianao. Saingy heverinao ve fa miaraka amin'ny mahery sy ny manam-piadiana ary ny manam-bava ianao dia ho afa-maina fotsiny amin'izao? Tsy zava-mora ny fihazakazahan'ny fampitam-baovao manerantany mampahafantatra ny vokatra feno ka nilazan'ny fampahalalam-baovao frantsay sasantsasany sahady fa efa misy voafidy ho filoha eto amin'ny firenena, ary fanerena sahady ihany koa ny CES izany hanamafy io vokatra mampisalasala ny maro io.

Mampitamberina ny zava-nitranga tany Cote d'Ivoire ity resaka ity. Namoaka vokatra, feno hosoka sy kajikajy diso, ny ceni tao an-toerana. Nesorin'ny Fitsarana misahana ny Lalampanorenana ny faritra rehetra feno hosoka, dia lasa olon-kafa no nandresy. Tsy neken'ny Firaisamonina Iraisampirenena, ary lohalaharana tamin'izany i Frantsa, izany fanesorana ny hosoka rehetra izany, dia nidrikina ry zareo fa ny vokatra avy amin'ny ceni ihany no izy, nefa ny Fitsarana no mampanara-dalàna azy. Izay toe-javatra any an-kafa izay no inian'ny ao amin'ny ceni-t eto Madagasikara hitranga ary ny tompon'andraikitra voalohany ao no tompon'andraikitra feno amin'ny toe-javatra rehetra hitranga.

Raha ny tokony ho izy dia tsy azo atao intsony ny fampitaham-bato rehefa nolazaina ilay vokatra feno fa dia araka  ny fitoriana mipetraka fotsiny sisa ny hanesorana na hanampiana vato hafa, izay tsy dia misy dikany loatra intsony. Ilay lalàna mametraka ny fotoana fitoriana farany mialoha ny ivoahan'ny vokatra feno avy amin'ny mpanangom-bokatra ofisialy ihany koa tsy ahafahana mitory izay mpangala-bato amin'ny sehatra avoavo kokoa sy mahasahana ny firenena manontolo. Mampanjaka ny halabato goavana kokoa, raha izany, ilay lalàna hoe folo andro no fetra farany. Na inona na inona hambaran'ny CES, ary na iza na iza no hotondroiny ho mpandresy, dia efa nampidirin'ny ceni-t tamin'ny krizy vaovao amin'ny endriny hafa kokoa i Madagasikara. Dia faranana amin'ny lohateny manao hoe: "Ataoko ahoana no fijery ny loza hanjò ny fireneko?" (Estera 8:6a)


Jentilisa 4 janoary 2014

Tsy Ilaina Intsony ny Fampitaham-Bato!

2013-12-27 @ 11:38 in Politika

Hifarana ny taona 2013, hifarana amim-pahakiviana sy amin'alahelo, nefa toa tsy hitondra fanantenana sy hafaliana akory ilay taona vaovao 2014. Tsy hoe resy izay nosafidiana dia kivy sy malahelo fa ilay halatra tamin'ny dingana rehetra sy ny sehatra mihitsy no mahatonga likiliky anaty tsy mampazoto miasa sy tsy mampazoto miresaka, ary mety ho maro ny olona tahaka izany nefa mety tsy hisy ihany koa fa izaho irery no maka lagy eo. Tsorina fa efa nivonona ny hanaiky ny voka-pifidianana aho raha tena avy amin'ny safidin'ny olona tokoa ilay izy saingy ny tsikaritra kosa tsy mamela. Rehefa miresadesaka amin'ny hafa ihany koa dia vao maika zendana amin'ny fitadiavam-pandresena amin'ny fomba rehetra ataon'ny sasany na mendrika ilay zavatra atao na tsy mendrika... fa ny tsy mendrika sy ny tsy rariny no betsaka kokoa. Tsorina ihany koa fa zary mahay ny fomba rehetra hangalaram-bato aho, na dia vao in-droa (in-telo raha miaraka amin'ny referandaoma izay tsy nandraisana anjara) monja aza isika Malagasy no nampiasa ity biletà onika na vato tokana ity. Andeha hoe hosoratana izay tadidy!

Fomba fangalaram-bato

Misy ireo fomba fangalaram-bato mialoha ny fifidianana na amin'ny fanomanana moa izany izay efa nomarihako ihany saingy toa tsy misy miraharaha dia ny avy amin'ny lisitra aloha voalohany indrindra. Efa zatra ny fanaovana ny lisitra araka ny laharan-trano ny Malagasy ka avelao amin'izay ihany. Hafetsena ilay hoe mijery ny anaranao amin'ny lisitra ianao, fa ahoana kosa ny hanamarinanao fa tsy misy mpifidy hafa ankoatra anareo ao amin'ny laharan-tranonao? Tsy mbola nisy namaly io hatramin'izao. Any anefa no miainga voalohany indrindra ny fangalaram-bato raha misy olona hafa miray trano aminao, izay tsy fantatrao, nefa afa-mifidy soa aman-tsara. Nisy olona, noho ny fahazotoan'ny tao amin'ny fokontaniny nanavaka isaky ny laharan-trano sy nizara izany isan-tokantrano, nahazo karatra amin'ny anaran'olona enina tsy fantatra velively nefa dia ao anaty lisitra sy nanaovana karatra.

Manaraka izany ny fahazoan'olona maromaro karatra roa na mihoatra, dia tsotrabe ny olona namerina ireny, nefa tokony norovitina na nodorana ireny tsy ho ampiasain'olo-kafa. Re moa fa nisy ny tany ananonanona tany (tadiavo amin'ny gazety) nizara ireo karatra tsy nisy nandray hifidianan'ny olona hafa azy. Halabato efa henjana koa izay satria mandiso ny isan'ny nandrotsa-bato marina. Izay tadidy eto am-panoratana moa no lazaina fa raha mahita ianao dia tsara ny manoratra izany.

Misy koa ny fangalaram-bato mandritra ny fifidianana izay tsikaritra amin'ny endrika maro ihany koa:

Nisy ny biraom-pifidianana nahitana taratasy fotsy tsy nahitana na inona na inona rehefa nandeha ny fanisana. Hevitra tsotrabe eo noho eo ny hoe vato fotsy iny izany. Saingy ilay biletà misy laharana dia ahafahana milaza fa efa misy fikasana hanao zavatra tsy mety amin'ny fahitana iny taratasy fotsy tsy misy na inona na inona iny. Raha entin'ilay olona mody ny vato dia ataony inona? Nahoana no atakalo taratasy fotsy tsy misy na inona na inona, na mody asiana sary na soratra tsy manaiky fifidianana ohatra dia maninona? Iny taratasy fotsy iny, na ireo taratasy tsy biletà narotsaka tanaty vata ireo dia efa azo ahiahiana fa misy ny fikasana hangala-bato ao amin'io birao io, dia iny ihany no tsy mifanaraka amin'ny laharana tokony ao amin'ny birao raha misy ny fanamarinana ny laharan'ny biletà mirotsaka ao anaty vata. Mahavita zavatra be dia be anefa taratasy (iray monja) iny eo amin'ny sehatry ny fangalaram-bato ka ataoko toy ny tantara kely izany.

Raha tsy mety nahazo vato mialoha tao amin'ny birao iray izay te-hangala-bato dia mividy vato izy. Izao no ataony: entiny ny taratasy manana endrika sy habe A5 iray, satria efa nolazaina mialoha fa habe sy endrika A5 ny taratasim-pifidianana ho filoham-pirenena. Miandry eny akaikikaikin'ny biraom-pifidianana amin'izay ny mpihaza mpifidy. Mikendry olona iray na roa na mihoatra heveriny ho azo vidiana izy (aza atao mahagaga raha hiova ny vokatra eny ambany tanàna!) dia resahiny hoe: ento aty hovidiako 15.000ar na 10.000ar ny vatonareo dia omeo ahy fa ity taratasy ity arotsaka ao. Dia raha manaiky ilay (ireo) olona dia mifanakalo fotsiny ny taratasy sy ny vola dia vita ny dingana voalohany.

Dingana faharoa, asiana marika an-taratasy (feutres no be nampiasa nefa stylos ny tao anaty birao, na stylo mena na manga no nampiasaina raha stylo manga ohatra ny an'ny ao amin'ny birao) eo amin'ilay safidy hofidiana dia mijery izay olona hafa mety ho azo vidiana ihany koa ny safidiny ka ifanarahana fa entiny mivoaka ny biletà tokony arotsany fa ilay nomen'ny mpihaza olona no arotsaka. Rehefa mivoaka avy any amin'ny biraom-pifidianana indray ilay (ireo) olona dia mifanakalo biletà mbola tsy nisy marika sy ny vola nifanarahana. Mandeha noho izay ny bizina amin'iny lafiny iny satria tsy maintsy maka ny anjarany ihany koa ny mpihaza mpifidy.

Raha mahazo olona iray isaky ny adiny iray ilay mpihaza dia nahazo haza folo izy izany nandritra ny tontolo andro. Raha atsasakadiny dia efa roapolo izany. Azo marihana anefa fa saika ny maraina ny olona no nifidy fa somary nihanalalaka kokoa ny folakandro (jereo ny taham-pandraisana anjara) ka mety hahazo hatramin'ny haza iray isaky ny fahefakadiny ny mpihaza iray na isaky ny folo minitra aza,izany hoe efatra isaky ny adiny iray na efapolo ao anatin'ny tontolo andro. Izany hoe raha ny 75% monja amin'ny biraom-pifidianana no nanaovana izay hetsika izay dia manome isan'ny biraom-pifidianana 15.000 izay ka raha io no ampitomboana mpifidy 40 raha mpihaza iray isaky ny biraom-pifidianana iray ihany no kaontiana (fa mety misy mpihaza roa na telo isaky ny biraom-pifidianana io) dia efa manome isam-bato 600.000 na 15%n'ny mpifidy nandrotsa-bato.

Mariho anefa fa tamin'ny fampielezam-peo ihany dia efa nandrenesana fa lany antenantenam-potoana ny biletà, izany hoe raha tsorina dia na ny ceni-t no ninia nanao isam-bato tsy ampy na nisy niray tsikombakomba tamin'ny mpividy na mpihaza mpifidy ny mpikambana miandraikitra io biraom-pifidianana io. Tsy nilaza ny isan'ny bileta rezerva isaky ny biraom-pifidianana moa ny Ceni-t fa raha toa ka tsy ampy noho ny isan'ny mpifidy voasoratra anarana ny isan'ny biletà dia efa be dia be izany ny mpihaza mpifidy mijorojoro ao ivelany ao hividy safidy. Aza atao mahagaga koa noho izany raha mihoatra noho ny isan'ny mpifidy nandrotsa-bato ny isan'ny biletà tafiditra anaty vata satria mety tsy ho hitan'ny mpanamarina akory hoe roa anie ny biletà indray ampidirin'olona iray.

Resaka teny ho eny indray no nandrenesako zavatra toy izao: Naharay antso ny delege iray dia mampita ny resaka amin'ny namany mety ho azo irahina manao hoe, tsy misy mpifidy, hono, letsy izao atsy ananona ka makà ialahy sakafo any amin'ny QG hitondra sakafo ho an'ny namana ao. Resaka tsotra nefa misy zavatra ambadika ambarany, tambatambazana na ahodikodin-doha (diversion) ny ao amin'io birao io hanentsenana vato hafa na hanovana ny vata mihitsy. Meto ho mbola maro ny halatra mandritra ny fotoam-pifidianana, toy ny fividianana delege na birao fa ambadika tsy hita maso moa izy ireny.

Raisina eto ihany koa ny fangalaram-bato mandritra ny fanisam-bato, dia ny manonona anaran'olona hafa nefa hafa ny safidin'ny olona. Haingana dia haingana ny mpanisa vato mampiseho ny vato ka tsy fantatra marina na izay tokoano voamarika na tsia. Nisy nahatrarana ho nanao izany anefa tamin'ny mpanonona vato saingy toa afa-maina fotsiny izy ireny rehefa bedy am-bava.

Endrika fangalaram-bato aorian'ny fifidianana.    

Eto no tena betsaka ny fangalaram-bato satria vitsy kokoa ny vavolombelona afa-manara-maso. Izao voasoratra anaty PV ihany no ekena nefa izay tena isa teny amin'ny tabilao sy voakajy tokoa ve? Fa izay tena tiako asongadina kosa dia tsy misoroka ilay endrika fangalaram-bato ahiahian'ny olona mihitsy ny ceni-t fa ny ataony ihany no ataony. Tsy afa-manao kajy indray mitopy maso mihitsy ny olom-pirenena fa tsy maintsy mamadibadika pejy na taratasy natao printy. Maninona no tsy mahasahy mampiseho ny mangarahara? Tsy hita fototra akory ny valiny ankapobeny manerana an'i Madagasikara fa efa nandalovan'ny valiny niseho tao avokoa izany hoe ny isan-jaton'ny anankiray nahazo isa be indray no kely noho ilay iray sy ny isam-baton'ny kandidà iray (fa tsy isan-jato) nihena am-pandehanana. Mandra-pahasahian'ny ceni-t mampangarahara ny vokatra ataony sy mora topazana maso indray mandeha ny vokatra rehetra dia isa petatoko natao hanamboarana ny toe-tsain'ny mpanara-baovao hanaiky ny fampandresena ny kandidà iray fotsiny no ataon'ny ceni-t. Efa hatramin'ny namoahana ny vokatra voalohany indrindra no nanaovany io fihetsika io.

Raha misy anefa ny fampihenana vato ataon'ny CES rehefa foanana ny vokatra farany dia ny isa ankapobeny izay lazaiko fa PETATOKO io fotsiny no anesorana ilay vato foanana fa tsy hiainga amin'ny fanisana hatramin'ny voalohany miainga amin'ny birao, fokontany, distrika, faritra mihitsy izy. Izany no mahatonga ahy hamintina sy nanao ny lohateny hoe "Tsy ilaina intsony ny fampitaham-bato" io satria isa petatoko apetraka fotsiny io fa tsy niainga avy amin'ny safidin'ny olona velively. Ivereno vakiana indray ilay filazalazana nataoko tamin'ny fizotran'ny fivoahan'ny valim-pifidianana tamin'ny fihodinana voalohany dia hazava tsara aminao ny antony namoahako io filazana io.

Jentilisa 27 desambra 2013

Anjaran'ny Ceni-t ny mampilamina an'i Madagasikara

2013-12-21 @ 08:46 in Politika

Dia azo tohizana ihany koa ny lohateny hoe dia miaraka amin'izay ihany koa ny CES na ny Fitsarana Manokan'ny Fifidianana. Hatreto dia ireo sisa no azo antenaina hampilamina tsy misy raorao an'i Madagasikara.

Voalohany, toy ny nanao zavatra tsy milamina loatra ny tao amin'ny kandidà sy ny mpanohana azy ireo tsirairay avy. Niainga izany tamin'ny fivoahan'ny didy hitsivolana tsy fanta-piaviana izay nahafahan'ny sasany nandika lalàna maro dia maro sy nahafahana nampiova zavatra maro dia maro teo amin'ny fampandresen-dahatra ny mpifidy. Dia talanjona ny rehetra avy eo fa vita tanteraka ny fampielezan-kevitra vao nofoanan'ny CES izay didy hitsivolana izay. Mampiahiahy tanteraka mitondra mankany amin'ny tsi fitokisana ny CES izay toe-javatra izay satria moa ve mitarika ho amin'ny fanilihana ny kandidà iny fandikan-dalàna miharihary iny? Tadidio fa ny minisitry ny serasera no nandika voalohany ny lalàna tamin'ny fanatrehana propagandy ampahibemaso dia nivoaka avy eo ny fomba fijery sy didy niaro ny zavatra nataony... dia niitatra tsikelikely izay toe-javatra izay nefa tsy nisy fanamelohana avy any amin'ny Fitsarana.

Faharoa, efa nasehoko teto ny tsy fisian'ny mangarahara mihitsy avy amin'ny voka-pifidianan'ny ceni-t tamin'ny fihodinana voalohany ary tsy niezaka ho amin'ny fanazavana sy ny fandresen-dahatra mihitsy ry zareo fa nanosika hatrany ho any amin'ny tian-kano tsy tian-kano. Dia tsy nisy mihitsy ihany koa ny filazana fahavononana hanao ny tsara kokoa sy ny hampisy ny mangarahara, izay niainga avy amin'ny lisi-pifidianana mihitsy aloha voalohany indrindra, tsy lazaina intsony avy eo ny ahiahy teo amin'ny voka-pifidianana. Tokana ihany no takiana amin'ny Ceni-t mba haharesy lahatra tsara ny olona, avoahy mangarahara ny voka-pifidianana sy ny kajy rehetra. Efa tsy miteny intsony ny nandrafetana ilay lisi-pifidianana izay efa tsy milamina aza aho amin'io fotoana io. Raha tontosa soa aman-tsara io mangarahara io ka mampikombona izay mety ho tsikera rehetra, dia manampy be dia be ho amin'ny fampitoniana ny fon'ny mpanohana tsirairay avy izany ary hahaizany mionona,saingy tsorina kosa aloha fa lavitry ny afo ny kitay amin'izay fotoana izay.

Fahatelo, Efa nofoananareo CES ary iny ilay didim-panjakana niteraka fiovan-javatra be dia be teto amin'ny firenena dia ahoana ny tohiny? Izaho manokana dia mahafantatra fa niainga avy amin'ny vokatry ny Ceni-t ihany no namoahanareo ny vokatra tamin'iny fihodinana voalohany iny fa resaka be fotsiny ny ankoatra izay. Samy mpahay lalàna ianareo rehetra ao ary mahay ilay fomba fiteny hoe "Dura Lex,Sed Lex" izay araka ny nolazaina tamiko ny dikany dia manao hoe "Mafy mafaitra ny lalàna, fa izay no lalàna". Ampiharinareo hatramin'ny farany ve izany sa mbola misy olona heverinareo ho amboninareo ka afaka manome baiko anareo hatrany? Raha manambara ny lalàna hoe "Mihintsana (disqualifé) izay nanao fihoara-pefy nampiova ny safidim-bahoaka" dia hotontosainareo ve izany? Sa manao izay hampandresena izay tian'ny sasany handresy fotsiny ianareo? Nefa raha tanterahanareo hatramin'ny farany ilay "Dura Lex Sed Lex" dia mety hiteraka fanantenana eo amin'ny rehetra ihany izany.

Farany izay nofinofy tsy ho tanteraka, raha vonona tsy manana tahotra mampihatra ny dura lex sed lex ny mpitsara hany mahefa ity fifidianana ity dia tokony hihintsana ny kandidà laharana fahatelo saingy tsy hisy izany raha ny fijery ny zavamisy. Azo nofisina ihany koa ny hamerenana indray ny fihodinana faharoa mba hahafahan'ny tsirairay manarina ny tsy mety nataony saingy lasa nofin-jaza ihany koa izany, satria miankina amin'ny didin'ny mpitsara izany fa hahavita izany ve ireo? Tsy mbola nahita na nahare aho fa mba ilazao ihany raha mahafantatra ianareo hoe naverina mihitsy ny fifidianana fihodinana faharoa rehefa tsy sahy ny manintsana avy hatrany ny nahazo vahana tamin'ny tsy fampitoviana vintana sy lenta ny kandidà roa tonta.

Fehiny, afa-mionona ny resy raha manjaka ny mangarahara fa anjaran'ny ceni-t manontolo sy samirery ny mamoaka ny mangarahara tsy misy pentina sy tsy misy afenina amin'ny voka-pifidianana. Anjaran'ny kandidà tsirairay avy ny mampiray hina ny Malagasy rehetra tsy misy anavahana sy tsy misy fanilikilihana mba hitodika amin'ny fampandrosoana amin'izay.


Jentilisa 21 desambra 2013

Faradoboka, Iza ary no hofidiako?

2013-12-18 @ 08:10 in Politika

Hifarana sahady ny fampielezan-kevitra fa hiditra amin'ny fifidianana fihodinana faharoa isika eto Madagasikara. Hiditra amin'ny dingana vaovaon'ny tantaran'i Madagasikara indray ny olom-pirenena rehetra na tiany izany na tsy tiany, na iza lany eo na iza.

Nahitana zavatra isan-karazany tokoa ny fampielezan-kevitra fa ny tontolon'ny bilaogy no mety ho mangina amin'izany. Efa lasan'ny tontolon'ny fitaovam-pifandraisan'ny fiaraha-monina (tambajotra an-tserasera na tambajotra sosialy) tanteraka ny sehatra, saingy ny olana amin'ireny karazam-pitaovana ireny dia, mety tsy ho hitanao intsony ny zavatra nosoratanao vao tapabolana lasa izay. Izany no tombon'ny bilaogy na mety ho heverina ho lany andro aza izy indraindray: Voatahiry sy mora karohina hatrany izay nosoratanao na soa izany na ratsy.

Miara-dalana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa sy ny fifidianana depiote, izay raha dinihana, dia niniana natao hampizara roa ny safidin'ny olona ary tsy hahazoan'ny mahaleotena vahana mihitsy. Raha izay moa no kinendry dia karazany nahomby sy nety ihany satria, fijery manokana ny ahy, na inona na inona filazana dia mersenera ara-politika izay mahaleotena lany eo, indrindra indrindra ka tsy maneho ny safidiny amin'izay hofidiany amin'ireo kandidà roa farany amin'ny filoham-pirenena izy. Mety hisy ny mahaleo tena,olona efa fanta-daza ka efa fantatra ny fironany, tsy manakiana ireny olona ireny aho fa misy antoko manana ny politikany hanandratra ilay olona kandidà fa somary manakona kosa ny antoko niaviany... ireny no mety ho maro kokoa amin'ireo mahaleotena mirotsaka sarotra kosa ny hahatafita ireo mahaleotena tsy fanta-piaviana eo amin'ny sehatry ny politika. Mahatalanjona tokoa ny mahita ireo mahaleotena sasantsasany tena mandrara-bola sy mandany harena tokoa mba hahalany azy ho depiote, ary tena mahery vaika noho ny fikambanana goavana ara-politika ny propagandy nataony.

Tsikaritra iray nivandravandra tamin'ity indray mitoraka ity ihany koa ny nisian'ny fifaninanana eo amin'ny mpiray ankolafy (indrindra fa ny ao amin'ny ankolafy Ravalomanana). Efa nisy ny tsi-fifampitokisana teo amin'ny mpitarika sy ny mpanaraka, ka tsy fantatra intsony hoe iza amin'ireo mpirotsaka ireo no to-teny kokoa eo anatrehan'ny mpanaraka. Ho hita eo ny fahombiazan'ny samy mirotsaka manoloana ireo kandidà hafa sy mahaleotena manambola be sy miezinezina ny propagandy nataony nandritra ny fotoana nanaovana izany. Arahiko maso manokana ny boriborintany fahadimy eto Antananarivo, faritra azo lazaina fa midadasika indrindra eto Antananarivo renivohitra (mahazo ny faritra avaratra sy atsinanan'ny tanànan'Antananarivo iray manontolo). Roa ny kandidà ofisialin'ny Ankolafy Ravalomanana, tena samy ofisialy, ary hifaninana amin'i MAPAR sy kandidà mahaleotena roa matanjaka sy nanambola nandrakofana haino aman-jery isan-karazany dia i Jaytaxxx, tompon'ny rdj, sy i Veronique izay malaza ho mahazo fanohanana ara-bola amin'ny vondrona mpampiasa vola shinoa (tsy voamarina). Ny mpanoratra, araka ny efa hahafantaran'ny mpamaky azy, dia tsy miala amin'ny kandidà tohanan'ilay sesintany any Afrika Atsimo amin'ny fomba ofisialy, mba tsy hampiparitaka ny vato (iray amin'izy mirahalahy).

Jentilisa 18 desambra 2013

Fandresena mangidy, faharesena mamy!

2013-12-03 @ 08:18 in Politika

Ao anatin'ny fampielezan-kevitra isika eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Efa nananana ny safidy ary tsy miova izany saingy tsy safidy an-jambany fa miaraka amin'ny fampitandremana avy hatrany. Volana imaso tsy mba kilema ary raha mbola azo sorohina ihany koa dia sorohy fa ny nenina tsy eo aloha hananatra fa eo aoriana handatsa.

Tombana ihany noho izany no ilazako fa raha hibata fandresena ny kandidà izay hofidiako (33 JLR) ho filoha dia ho fandresena mangidy izany. Samy maka ho azy ny kandidà ho depiote, misaritaka tanteraka, ho an'ny ankolafy Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy. Efa nahatsinjo ny hanambatra ho amin'ny vato tokana kosa ny avy ao amin'ny ankolafin'ny mibahana ny fahefana amin'izao fotoana izao, ary izay ilay atao hoe fahaizana politika noho ny fahaizana mitsinjo ny hoavy politika sy izay tokony ho fizotran'ny raharaha. Mety ho resy ry zareo ao amin'ny fitondrana mifehy ny tetibola goavana, saingy hahatafiditra depiote maro izy, ary Antananarivo ihany no hifidy azy ireo... na ny marina kokoa noho ny fanasaritahana vato avy ao anatin'ny samy ankolafy Ravalomanana ihany, dia ho azon'ny "Depiote Miaraka Amin'ny Prezidà Andry Rajoelina" ny atsasaky ny seza eto Antananarivo renivohitra (6/12) ary tsy ho latsak'izany ihany koa ny isan'ny depiote eto amin'ny faritanin'Antananarivo. Koa raha ny eto amin'ny faritanin' Antananarivo izay heverinao hahamaro an'isa anao aza moa no ho tahaka izay, moa tsy hanjaka tanteraka ry zareo ivelan'ny faritanin'Antananarivo ? Tsy hisy resaka hala-bato izany fa tena avy amin'ny safidin'ny olona mihitsy.

Noho izany, manoratra izao zavatra manaraka izao aho hampiomanana sahady ny rehetra fa raha mandresy ny kandidà Robinson amin'ny fifidianana ho filoha, ary efa tsinjotsinjo ihany izany, dia amin'izay ihany ihany izy no handresy fa ho lasan'ny hafa kosa ny maro an'isa amin'ny depiote.  Nefa raha sanatriavina handresy amin'ny filoha kosa ny fôtôkôpian'ny lokon'ny "tiko" dia sady hahazo ny filoha izy no hahazo ny maro an'isa ihany amin'ny antenimiera... tsy ho voahelingelina loatra intsony amin'ny fomba fitondrana. Ka moa ve tsy mba misy fepetra hentitra azon'ny ao amin'ny ankolafy Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy hanambarana ny vato ho amin'ny kandidà iray isaky ny fari-pifidianana iray? Ananako alahelo manokana ny boriborintany fahadimy izay misy ahy, satria olona telo be izao samy mpitarika ao amin'ny ankolafy Ravalomanana, no hifaninana sy hifanjinja, nefa ny kandidàn'ny sasany eto misoko mangina manao izay handresena ary faly tokoa mahita ireto mpiara-dia lasa mifaninana ireto. Tsy misy mahalefitra ve ireto kandidà ireto... fa dia miady mafy fotsiny ny ho lany? Dia ahoana raha tsy misy tafiditra ianareo na dia ny iray aza?

Raha miresaka kandidà aho eto dia tsy miresaka momba ny kandidà mahaleotena satria raha ny amin'izao fotoana izao ny kandidà mahaleo tena rehetra dia mersenera avokoa, tsy fantatra izay tena safidy politikan'ireny olona ireny ary manao izay tiany ataony afa-mivadibadika loko politika araka izay mety ho ahazoany tombontsoa kokoa.


3 desambra 2013

Aiza ny Vaton'Antananarivo? Tsy ahitako izany ny vokatry ny CENI-T

2013-11-08 @ 00:39 in Politika

Tsikaritra fihodinana voalohany #mdg2013:

Voalohany, aza kivy mahita ireo tarehimarika be dia be ireo fa araho fotsiny ny isam-bato sy ny isan-jato azon'ny kandidà lehibe tsirairay isan'andro dia mety ho gaga ianao hoe fa lasa aiza tokoa ny vaton'Antananarivo sy ny manodidina azy. Atoroy aho ho an'izay mahita azy. Vokatra "feno" io satria araka ny nambara tamintsika dia tsy hanova zavatra intsony ny vato avy amin'ny Biraom-Pifidianana 85 ambiny. Tsikaritro anefa fa tena kely tokoa ny isan'ny mpifidy amin'ireo Biraom-Pifidianana (BP) ambiny ireo raha oharina amin'ireto alahatra tsirairay ireto, ka mety hahatonga saina anao ihany koa ny mahita ny toe-javatra. Ny loharanom-baovao na ny tahirin-kevitra rehetra dia izay nomen'ny CENI-T irery ihany fa ny mpanoratra kosa no nanao ny kajy avy eo.

26 Oktobra 2013 Tamin'ny 20 ora 12 minitra:

Isan'ny Biraom-pifidianana tafiditra: 382
Nisoratra anarana : 224991
Nifidy : 125948
Vato manankery : 118634

Salan'isan'ny mpifidy nisoratra anarana isaky ny BP: 588,98
Salan'isan'ny mpifidy nandrotsa-bato isaky ny BP: 329,70
Salan'isan'ny vato manankery isaky ny BP: 310,56

JLR: 32422 na 27,33%
HERY: 18232 na 15,37%
HAJO: 9536 na 8,04%
ROLA: 7903 na 6,66%
VITAL: 11192 na 9,43%


28 Oktobra 2013 Tamin'ny 20 ora 43 minitra:

Isan'ny Biraom-pifidianana tafiditra: 5828
Nisoratra anarana : 2198779
Nifidy : 1240606
Vato manankery : 1160759

Tanelanelan'ny 26 sy 28 oktobra 2013:

Isan'ny Biraom-pifidianana tafiditra: 5446
Nisoratra anarana : 1973788
Nifidy : 1114658
Vato manankery : 1042125


Salan'isan'ny mpifidy nisoratra anarana isaky ny BP: 362,42
Salan'isan'ny mpifidy nandrotsa-bato isaky ny BP: 204,67
Salan'isan'ny vato manankery isaky ny BP: 191,36

Tanelanelan'ireo fotoana roa ireo:

JLR: 303137 na 29,08835312%
HERY: 148855 na 14,28379513%
HAJO: 99959 na 9,591843589%
ROLA: 61226 na 5,875110951%
VITAL: 64471 na 6,186493943%


29 Oktobra 2013 Tamin'ny 11 ora 33 minitra:

Isan'ny Biraom-pifidianana tafiditra: 7407
Nisoratra anarana : 2501107
Nifidy : 1426630
Vato manankery : 1334508

Tanelanelan'ny 28 sy 29 oktobra 2013:

Isan'ny Biraom-pifidianana tafiditra: 1579
Nisoratra anarana : 302328
Nifidy : 186024
Vato manankery : 173749


Salan'isan'ny mpifidy nisoratra anarana isaky ny BP: 191,47
Salan'isan'ny mpifidy nandrotsa-bato isaky ny BP: 117,81
Salan'isan'ny vato manankery isaky ny BP: 110

Tanelanelan'ireo fotoana roa ireo:

JLR: 25390 na 14,61%
HERY: 32012 na 18,42%
HAJO: 16453 na 9,47%
ROLA: 17742 na 10,21%
VITAL: 14152 na 8,15%

30 Oktobra 2013 Tamin'ny 21 ora 22 minitra:

Isan'ny Biraom-pifidianana tafiditra: 11821
Nisoratra anarana : 3663777
Nifidy : 2166717
Vato manankery : 2025158

Tanelanelan'ny 29 sy 30 oktobra 2013:

Isan'ny Biraom-pifidianana tafiditra: 4414
Nisoratra anarana : 1162670
Nifidy : 740087
Vato manankery : 690650



Salan'isan'ny mpifidy nisoratra anarana isaky ny BP: 263,4
Salan'isan'ny mpifidy nandrotsa-bato isaky ny BP: 167,67
Salan'isan'ny vato manankery isaky ny BP: 156,47

Tanelanelan'ireo fotoana roa ireo:

JLR: 199021 na 28,82%
HERY: 97028 na 14,05%
HAJO: 72238 na 10,46%
ROLA: 38214 na 5,34%
VITAL: 43772 na 6,33%

31 Oktobra 2013 Tamin'ny 00 ora 15 minitra:

Isan'ny Biraom-pifidianana tafiditra: 12206
Nisoratra anarana : 3751926
Nifidy : 2222333
Vato manankery : 2077298

Tanelanelan'ny 30 sy 31 oktobra 2013:

Isan'ny Biraom-pifidianana tafiditra: 385
Nisoratra anarana : 88149
Nifidy : 55616
Vato manankery : 52140

Salan'isan'ny mpifidy nisoratra anarana isaky ny BP: 228,96
Salan'isan'ny mpifidy nandrotsa-bato isaky ny BP: 144,58
Salan'isan'ny vato manankery isaky ny BP: 135,43

Tanelanelan'ireo fotoana roa ireo:

JLR: 17117 na 32,82892213%
HERY: 6897 na 13,2278481%
HAJO: 4319 na 8,283467587%
ROLA: 1561 na 2,993862677%
VITAL: 2857 na 5,479478328%

31 Oktobra 2013 Tamin'ny 18 ora 20 minitra:

Isan'ny Biraom-pifidianana tafiditra: 13870
Nisoratra anarana : 4117211
Nifidy : 2547398
Vato manankery : 2382056

Nandritra ny tontolo andron'ny 31 oktobra 2013:

Isan'ny Biraom-pifidianana tafiditra: 1664
Nisoratra anarana : 365285
Nifidy : 325065
Vato manankery : 304758

Salan'isan'ny mpifidy nisoratra anarana isaky ny BP: 219,52
Salan'isan'ny mpifidy nandrotsa-bato isaky ny BP: 195,35
Salan'isan'ny vato manankery isaky ny BP: 183,14

Tanelanelan'ireo fotoana roa ireo:

JLR: 89936 na 29,5106281%
HERY: 49146 na 16,12623787%
HAJO: 30620 na 10,04731623%
ROLA: 11872 na 3,895549912%
VITAL: 17969 na 5,896153669%

2 novambra 2013 Tamin'ny 18 ora 50 minitra:

Isan'ny Biraom-pifidianana tafiditra: 16589
Nisoratra anarana : 5027782
Nifidy : 3013860
Vato manankery : 2904676

Tanelanelan'ny 31 oktobra sy 2 novambra 2013:

Isan'ny Biraom-pifidianana tafiditra: 2719
Nisoratra anarana : 910571
Nifidy : 466462
Vato manankery : 522620

Salan'isan'ny mpifidy nisoratra anarana isaky ny BP: 334,89
Salan'isan'ny mpifidy nandrotsa-bato isaky ny BP: 171,56
Salan'isan'ny vato manankery isaky ny BP: 192,21

Tanelanelan'ireo fotoana roa ireo:

JLR: 86119 na 16,47832077%
HERY: 79933 na 15,29466917%
HAJO: 53590 na 10,25410432%
ROLA: 70757 na 13,53890016%
VITAL: 29436 na 5,632390647%

3 novambra 2013 Tamin'ny 19 ora 06 minitra:

Isan'ny Biraom-pifidianana tafiditra: 17656
Nisoratra anarana : 5921967
Nifidy : 3666020
Vato manankery : 3433713

Tanelanelan'ny 2 sy 3 novambra 2013:

Isan'ny Biraom-pifidianana tafiditra: 1067
Nisoratra anarana : 894185
Nifidy : 652160
Vato manankery : 529037

Salan'isan'ny mpifidy nisoratra anarana isaky ny BP: 838,04
Salan'isan'ny mpifidy nandrotsa-bato isaky ny BP: 611,21
Salan'isan'ny vato manankery isaky ny BP: 495,81

Tanelanelan'ireo fotoana roa ireo:

JLR: 92390 na 17,46380688%
HERY: 88020 na 16,6377777%
HAJO: 53804 na 10,17017713%
ROLA: 59646 na 11,27444772%
VITAL: 37071 na 7,007260362%

Fanontaniana: Eto no nahitana salan'isan'ny mpifidy betsaka indrindra isaky ny Biraom-Pifidianana, mety hifanahatahaka tamin'Antananarivo, saingy, lazao ahy hoe taiza ho aiza teto no nifanahantsahana tahaka izao ny vato azon'i Jean Louis Robinson sy Hery Rajaonarimampianina?

4 novambra 2013 Tamin'ny 18 ora 54 minitra:

Isan'ny Biraom-pifidianana tafiditra: 18229
Nisoratra anarana : 6690691
Nifidy : 4136520
Vato manankery : 3875896

Tanelanelan'ny 3 sy 4 novambra 2013:

Isan'ny Biraom-pifidianana tafiditra: 573
Nisoratra anarana : 768724
Nifidy : 470500
Vato manankery : 442183

Salan'isan'ny mpifidy nisoratra anarana isaky ny BP: 1341,57
Salan'isan'ny mpifidy nandrotsa-bato isaky ny BP: 821,11
Salan'isan'ny vato manankery isaky ny BP: 771,70

Tanelanelan'ireo fotoana roa ireo:

JLR: 46241 na 10,45743504%
HERY: 79241 na 17,92040852%
HAJO: 52416 na 11,85391569%
ROLA: 55759 na 12,60993751%
VITAL: 39755 na 8,99062153%

Taiza ho aiza re no nisy Biraom-pifidianana be mpifidy tahaka izao ka nitarika i Hery Rajaonarimampianina, Rolland Ratsiraka no faharoa, Hajo no fahatelo ary i Jean Louis kosa any amin'ny fahaefatra vao mipetraka. Mariho fa 573 ilay isan'ny Biraom-pifidianana eto!

5 novambra 2013 Tamin'ny 17 ora 13 minitra:

Isan'ny Biraom-pifidianana tafiditra: 19004
Nisoratra anarana : 7303176
Nifidy : 4509279
Vato manankery : 4223957

Tanelanelan'ny 4 sy 5 novambra 2013:

Isan'ny Biraom-pifidianana tafiditra: 775
Nisoratra anarana : 612485
Nifidy : 372759
Vato manankery : 348061

Salan'isan'ny mpifidy nisoratra anarana isaky ny BP: 790,30
Salan'isan'ny mpifidy nandrotsa-bato isaky ny BP: 480,98
Salan'isan'ny vato manankery isaky ny BP: 449,11

Tanelanelan'ireo fotoana roa ireo:

JLR: 28370 na 8,150870106%
HERY: 61866 na 17,77447057%
HAJO: 38232 na 10,98428149%
ROLA: 52587 na 15,10855856%
VITAL: 23364 na 6,712616467%

6 novambra 2013 Tamin'ny 16 ora 43 minitra:

Isan'ny Biraom-pifidianana tafiditra: 19759
Nisoratra anarana : 7681965
Nifidy : 4739920
Vato manankery : 4441546

Tanelanelan'ny 5 sy 6 novambra 2013:

Isan'ny Biraom-pifidianana tafiditra: 755
Nisoratra anarana : 378789
Nifidy : 230641
Vato manankery : 217589

Salan'isan'ny mpifidy nisoratra anarana isaky ny BP: 501,71
Salan'isan'ny mpifidy nandrotsa-bato isaky ny BP: 305,48
Salan'isan'ny vato manankery isaky ny BP: 288,20

Tanelanelan'ireo fotoana roa ireo:

JLR: 29857 na 13,72174145%
HERY: 38501 na 17,69436874%
HAJO: 29237 na 13,43680057%
ROLA: 24396 na 11,21196384%
VITAL: 19953 na 9,170040765%

7 novambra 2013 Tamin'ny 15 ora 30 minitra:

Isan'ny Biraom-pifidianana tafiditra: 19916
Nisoratra anarana : 7681965
Nifidy : 4739920
Vato manankery : 4441546

Tanelanelan'ny 6 sy 7 novambra 2013:

Isan'ny Biraom-pifidianana tafiditra: 157
Nisoratra anarana : 131472
Nifidy : 87132
Vato manankery : 82527

Salan'isan'ny mpifidy nisoratra anarana isaky ny BP: 837,40
Salan'isan'ny mpifidy nandrotsa-bato isaky ny BP: 554,98
Salan'isan'ny vato manankery isaky ny BP: 525,65

Tanelanelan'ireo fotoana roa ireo:

JLR: 5291 na 6,411235111%
HERY: 20338 na 24,64405588%
HAJO: 14998 na 18,17344627%
ROLA: 5721 na 6,932276709%
VITAL: 5903 na 7,152810595%

Hatreto :


Isan'ny Biraom-pifidianana andrasana: 85
Nisoratra anarana feno andrasana: 9868
Salan'isan'ny mpifidy nisoratra anarana andrasana isaky ny BP: 115,6

Fehiny, ampy ireo antontan'isa ireo ilazako fa karazany misy fanamboamboarana isa ihany ao, izay tsy inona fa fanonganam-panjakana ara-panisam-bato (tsy manonona hoe hala-bato aho eto fa tranga mbola loza kokoa noho ny laha-bato). Ny hitako aloha ireo fa reseo lahatra aho hoe aiza ho aiza no diso aho na ny kajy nataoko.

Samia mamakafaka sy mampitaha!

Antananarivo, 8 novambra (mialoha ny hanambarana vonjimaika ny vokatra "feno") 2 ora sy 36 maraina

Saika hiaro ny Ceni-t aho fa nihemotra indray! #mdg2013

2013-10-29 @ 08:28 in Politika

Tamin'ny fotoana namoahan'ny ceni-t ny vokatra voalohany dia taitra ny maro maro tamin'ny mpanohana an'i Jean Louis Robinson teto Antananarivo hoe fa maninona foana no ny any amin'ny faritany no mivoaka voalohany ary mivoaka tsikelikely fa tsy mivoaka tambabe ny vokatra eto an-drenivohitra izay foiben-toeran'io rafitra mikarakara ny fifidianana eto Madagasikara io? Nanana eritreri-dratsy avy hatrany ny mpanohana ny 33 fa misy finiavana hanodikodinana ny vato avy hatrany ao. Tsy voatery ho marina avy hatrany izany eritreritra izany fa ahiahy tsy ihavanana araka ny fomba fiteny.

Dia naka fomba fijery hafa aho hoe andao hoe hojerena ny lafiny tsara amin'ny fihetsika ataon-dry zareo. Sao kosa mandanjalanja ny fomba famoaham-bokatra izy ka karazany ampifandimbiasany avoaka ny avy amin'ny vazantany efatra mba hisokatra ny valim-pifidianana ary tsy ho tafakatra ambony dia ambony tampoka ny kandidà iray dia hidina ambany tamboka ny kandidà hafa, izay mety hampisaritaka ny mpanara-baovao. Sao mba kendrena fa raha miakatra ny iray dia miakatra tsikelikely, ary raha midina indray ny isan-jatony dia midina tsikelikely fa tsy ho minifi-tsofa miaka-midina mety hanapaka lalan-drà araka ny fomba fiteny. Dia efa saika hamoaka izay hevitra izay aho hoe mba mitandrina kosa ny ceni-t ny mba tsy hisian'ny korontana eto Madagasikara, ary saika hampandreseko lahatra anareo mpamaky. Saika hanoratra aho hoe aza atao mahataitra fa ho feno amin'ny fotoanany ihany ny distrika nandresenareo dia ho voatazona eo ihany ny isan-jato. Niova hevitra aho taorian'ny fitsidihana nataon'ny lehiben'ireo hery mitam-piadiana eto Madagasikara tao amin'ny ceni-t Alarobia sy ny fitomboan'ny isan'ny mpifidy tampoka izay efa naderadera andro maromaro izay, niakatra 140 619 moa izany omaly raha nitombo 141 993 kosa afak'omaly ka naverina tamin'ny isa nanombohany avy eo.

Miteraka ahiahy tanteraka ny tsy amoahana ho hitan'ny mpiserasera intsony ny valim-pifidianana izay efa nanaovako kajikajy vendrambedrana fa ahafahana mametraka ny isanjaton'ny lah.33 ho any amin'ny 7,60% rehefa tsy omena vato intsony izy, na dia mbola tsy feno aza ny vokatra avy amin'ny distrika sy ny faritra nandresen'i Jean Louis Robinson. Io no isan-jato tokony ho ambany indrindra fa azo atao tsara ny mametraka azy ho 14% hijanona ho laharana fahatelo raha azo akarina ho 15% ihany koa ny laharana fahatelo amin'izao fotoana izao dia ho ny laharana faharoa sy ny laharana fahatelo amin'izay fotoana izao no hifanandrina amin'ny fihodinana faharoa. Fehiny: azo lalaovina tsara io isam-bato azon'ny kandidà io rehefa any amin'ny tany lavitra andriana. Manoratra izany aho miaraka amin'ny fomba fiteny hoe Ny hamisavisana ny ratsy hiavian'ny soa.

29 oktobra 2013

Sary Nandritra Ny Tontolo Androm-Pifidianana

2013-10-26 @ 08:07 in Politika

Efa nahazatra ny mpamaky ny VETO ny mahita sary rehefa tonga ny androm-pifidianana. Tamin'ny fitsapa-kevi-bahoaka 2010 ihany angamba no tsy nanao izany ny mpanoratra. Niverina indray izany ankehitriny. Ny faritra tsy noraisina an-tsary taloha indray no mba omena ny mpamaky fa tsy any amin'ny boriborintany voalohany taloha hatrany. Tontosa ity fakana sary ity noho ny fiaraha-miasa manokana amin'i News2Dago, raha tsy nisy azy sarotra ny hisian'ny sary atolotra etoana ka tsy maintsy lazaina izay ho fankasitrahana ny nataony sy ny fandavantena lehibe nataony. Mazotoa avokoa ary :

Toa mpinamana ireo delege tato amin'ity biraom-pifidianana Ambohimalaza ity. Hajo, Vital, Edgard ary Radavidson ihany no nanana delege tato.

Nikisaka teny amin'ny biraom-pifidianana iray tany Ambohimangakely izahay avy eo!

Hitanareo mihitsy angamba fa misy jiro ao anatin'ny efitra fisainana na dia ivelan'Antananarivo aza no misy ny toerana. Hiditra ny tanànan'Antananarivo isika ka tao Ambatomaro indray no nandalovana.

Izay ny tao Ambatomaro fa nikisaka nankao Nanisana izahay avy eo

Tao izahay no nahita mpitari-tolona iray tao amin'ny Magro ka nitafatafa taminy vetivety.

Vita izay dia niditra tamin'ny toerana vitsivitsy kokoa ny mpifidy hitanay, efa atoandro ningaingaina tokoa ny masoandro tamin'izany fotoana izany.

Avaradoha

Vohibola, anisan'ny be mpanara-maso vahiny nandalo indrindra

Antsahabe, nahitako fa misimisy ihany ny olona tonga amin'ny fiarany manokana handeha hifidy. Dia izay no azo natolotra anareo etoana fa misy ihany koa ireo hafa any amin'ny #mdg2013 sy ao amin'ny Twitter-ko ao.

Asabotsy 26 oktobra 2013

Omeo ny Feon'ny Noverezin-jo tsy nanao heloka

2013-10-23 @ 22:28 in Politika

Misy ireo nitatitra fa nahazo karatr'olona tsy fantatra anarana miray trano amin'izy ireo ary maromaro mihitsy, efa tao anatin'ny fanahiako moa ny tsy fetezan'ny fanaovana ny lisitra ho araka ny abidia satria ahafahana mampiditra olona hafa tsy ampoizina ho lazaina ho miray trano aminao. Tsy dia any loatra ny resako etoana fa mitodika kosa any amin'ireo olona noverezin-jò tsy satry.

Maro dia maro ny olona tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana ary antony maro samihafa no nahatonga izany. Ny mampihomehy dia iray trano izao, ary loham-pianakaviana izao, dia tsy tafiditra anaty lisitra, nefa ilay loham-pianakaviana no nanao sonia ny famenoana ny taratasy fa ny ankohonana tao aminy indray no tafiditra soa aman-tsara. Maro ny tsi-fetezan-javatra ka ny vahoaka indray no nomena tsiny ho tsy mandray andraikitra. Efa fanao eto amin'ity tanindrazana ity ilay fanilihana andraikitra.

Niniana ve sa tsia fa efa tratra aoriana mihitsy vao nivoaka avy any ilay lisitra. Mahana tamin'ny nataony ve ny CENIT ka niandrasana ora na andro farany vao navoaka ny lisitra sy ny kara-pifidianana, avy eo indray toa tsy misy ilàna azy indray ilay kara-pifidianana fa kara-panondro dia mahavita azy. Toa vola nolanilaniana foana na nariana foana na navily lalana ho any am-paosin'ny sasany angamba ny nanaovana ireny kara-pifidianana ireny sy ny kojakoja hafa toy ny vatom-pifidianana. Karazana halatra ankolaka ihany ilay tsy famelana intsony ny olona hahazo hifidy satria hoe tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana. Efa tsy misy resaka fahadisoana ao anaty karatra intsony eto an! Fahadisoan'ny CENIT ve no hanasaziana ny olom-pirenena? Tsy rariny izany! Omeo ireo olona ireo ny zony.

Tsy vitan'ny teny toy izao anefa ny fitakiana fa tsy maintsy misy fiarahan'ireo olona an'arivony, na an'aliny eny mety ho an'hetsiny mihitsy aza noverezin-jò nefa tsy voasazin'ny fitsarana. Efa nisy ny didim-pitsarana tsy azo nivalozana nefa novàna ihany ka ho tombontsoa ambonin'ny firenena sy hitandroana ny filaminana, noho ny lonilony mety hipoaka raha maro loatra ny very zo ary ahiana ho noho ny safidy noverezina mihitsy aza no nampiova ny valim-pifidianana dia mivantana ilay fitakiana. Avereno amin'ireo olona ireo ny zony rehefa tsy nisazy izy. Itadiavo lalana ny hahafahan'izy ireo mifidy. Raha tsy hita mihitsy ny lalana haleha hamahana izany olana izany dia avereno ny "ordonnance" eny amin'ny fitsarana. Aza saziana amin'ny heloka tsy nataony ny vahoaka.

Raha tsy niomana amin'ny fanaovana ordonnance ny eny amin'ny fitsarana, dia mamoaha haingana tetibola ho amin'izany fa raharaham-pirenena no atrehina fa tsy kilalaon-jaza tsy akory. Sokafy ny Lapan'ny Fitsarana rehetra manerana ny nosy amin'io andron'ny zoma 26 oktobra 2013 io ary avoahy ny filazana fa ekena ny "ordonnance" ahafahan'ny olon-drehetra mifidy, fa tsy tsara loatra ilay hoe amin'ny alalan'ny kara-pokontany indray no ifidianana.

Ho anareo very zo rehetra kosa, tsy dia manan-kevitra loatra amin'izay tokony atao aho fa soso-kevitra fotsiny no apetrako. Mivondròna mankeny amin'ny biraon'ny CENIT akaiky anareo na eny amin'ny lapan'ny fitsarana amin'ny androm-pifidianana. Eny ianareo mahita ny hamaroanareo sy mahatsapa fa vondron'olona tsy azo tsinontsinoavina ianareo. Takio am-pilaminana ny zonareo hahazo mifidy. Antsoy ny mpanao gazety, antsoy ny fampielezam-peo sy ny fahitalavi-panjakana hanaovana fitarainana sy ilazanareo fa efa miandry sy vonona ho amin'ny fandrotsaham-bato ianareo. Ny firaisan-kina no hery. Raha manana hevitra hafa ianareo dia ampitao haingana araka izay azo atao izany. Mampiasà ny teny ifankafantarana #mdg2013 amin'ny tambajotra serasera toy ny Facebook na Twitter fa aza miraviravy tanana tsy hanao na inona na inona na hikaton-trano ao! Hevitra tsotra ny ahy fa raha misy ny tsara kokoa dia raisina an-tanandroa izany. Mankasitraka anareo rehetra!


24 jolay sasakalina sy sasany ora!

Nopotipotehin'i Mamy Rakotoarivelo tanteraka ny ankolafy Ravalomanana

2013-08-27 @ 22:06 in Politika

Raha misy ny fotoana maha-menatra ny mijoro ho manohana Ravalomanana ary mihevitra ho ao anatin'ny ankolafy Ravalomanana dia tsy misy tahaka ny amin'izao fotoana izao. Mifanindra-dalana amin'izany ihany koa, ankoatra ilay vaovao malaza nivoaka an-gazety hoe hanolotra olona amin'ny efa tsy fotoanany intsony ny ankolafy Ravalomanana, dia nisy lohatenin-gazety iray naningana nilaza fa tsy mamadika izany ny tenany, hoy i Mamy Rakotoarivelo. Raha ho an'ny mpamaky tsotra dia karazana fiampangan-tena izany fomba filaza izany. Matoa manko mandeha izany fitenenana izany dia reny any ampoto-tsofiny any ihany fa malaza ho mpamadika izy.

Hivadika fotoana hafa aho, raha nanery ny hanaovana ny soniam-pifanarahana tamin'ny FAT ilay lasa minisitry ny fifandraisana amin'ny andrim-panjakana Yves Aimé Rakotoarison, dia nisy nanambara tamiko fa mbola misy mpamadika ihany ao anatin'ny fitarihana io ankolafy Ravalomanana io. Nolazainy avy eo fa tsy ho vita mihitsy ny tolona raha tsy efa voaroaka ao amin'ny ankolafy Ravalomanana ihany koa i Mamy Rakotoarivelo. Tahaka izay zavatra tsy nampino ahy saingy tontosa tamin'ny tolona tapany voalohany (TGV) tamin'ny 2009 dia miha-jeren'ny olona, indrindra ny mpanara-dia an-dRavalomanana, fa toa hafahafa fihetsika ity mpitarika ny ankolafy ity. Mahalasa saina tokoa manko ny fihetsiny faraparany teo ka nahatonga ahy hitendry ny milin-tserasera.

Noho ny zavatra natao manokana dia lasa tsy nahara-baovao loatra aho, no sady tsy te-hanara-baovaon'ny taotaonkafa ka ny omaly tsy miova ihany. Saingy tsy maintsy misy ny zavatra re, noho ny resaky ny olona, ary hita ihany koa na dia andalovana fotsiny aza ny lohateny lehiben'ny gazety. Nanomboka tamin'ny fandavana ny firotsahan'i "Neny" dia nivoaka amin'izay ny fihetsika tsy mety rehetra izay azo niampangana ny ankolafy Ravalomanana ho mpandika lalàna no sady tia manao izany fihetsika tsy mety izany. Efa nivoaka ihany ny fanambarana avy amin'i "Neny" fa tsy tokony hanao fihetsiketsehana mandra-pahavitan'ny fanadinana ara-panjakana (Bacc) fa mbola nisy ihany ny nanentana hanao fihetsiketsehana tetsy Ankorondrano, ilay mpitarika ny ankolafy no tena niantsoantso ny hanao izany, avy eo dia nofoanany indray ilay izy "noho ny tsy fisian'ny olona nanaraka" hoy ny filazan'ny gazety tsy misalasala mihitsy ny hamasoka ny ankolafy Ravalomanana raha vao manana hirika hanaovana izany. Ny tao an-tsaiko raha nahare izany aho dia hoe niniana natao hohitan'ny voanjo mainty avy ao ampita atsinanana ao Afrika ao ny tsy fisian'ny olona nanaraka ho fampandresen-dahatra fa tsy mahazo olona intsony ny ankolafy Ravalomanana. Noheveriko noho izany fa nisy fifanarahana tany ambadika tany mba hamasohana ny ankolafy Ravalomanana. Nitatatata amin'izay ny haino aman-jery mpamasoka ankolafy fa menatra tsy sahy miresaka amin'ny mpanao gazety na manao fanambarana loatra ireo mpitarika ny ankolafy Ravalomanana taorian'iny zavatra nandamoka tanteraka iny. Izay manao izay hahamenatra ny mpitarika tsy hahasahy hilaza zavatra ampahibemaso iza anefa no tena tanjon'ilay izy rehefa tena nodinihana lalina.

Izao indray tratran'ny namasobasohana ny PHAT ho nametraka firotsaha-kofidiana "ninja" ny ankolafy Ravalomanana araka ny filazan'ireo mpifanandrina manao hoe : "taitra ny olona tsy mba taitra ka taitra irery vao mamaky takotra!". Dia iniana atao izao indray ny fangatahana handrotsaka kandidà fisolo hafa amin'ny fotoana efa ivelan'ny nifanarahana. Kepoka tsy mahateny indray ireo nanesoeso an'i Andry Rajoelina satria izay nihomehezana tamin'ny volana mey no nalaina tahaka rehefa hifaraparana ny volana aogositra, izany hoe telo volana taty aoriana. Mbola paika hafa hamasohana ny ankolafy ihany izany toe-javatra izany. Koa lasa ho azy ny saina mitodika any amin'ny hoavy any hoe mbola ho avy ihany koa ny ratsy kokoa sy mahamenatra kokoa noho ny saina mivadika taorian'ny kabarin'i Andry rajoelina iny dia ho vasoka tanteraka indray ny mpanara-dia ny ankolafy.

Soso-kevitra vitsivitsy no efa naroson'ny maro fa tsy nisy nihaino moa dia ny mba hialan'izay olom-boatendry avy amin'ny ankoafy Ravalomanana rehetra hiala amin'ny rafitra tsy nahazoana na inona na inona ankoatra ny fankatoavana ny mpanonga-panjakana dia handroso tolo-kevitra mila fahasahiana hafa ihany koa aho hiarahan'ny mpitarika rehetra ao amin'ny ankolafy Ravalomanana manao fanambarana iraisana fa sady tsy mpitarika ny ankolafy Ravalomanana intsony i Mamy Rakotoarivelo no roahina tanteraka tsy ho ao anatin'ny ankolafy. Raha tsy mahavita izay fihetsika izay ny mpitarika hafa ao amin'io ankolafy io dia vita tanteraka ny amin'ilay ankolafy ary nandresy tanteraka ny teti-panorona napetraky ny Frantsay... 

Izay angaha aloha ny amin'iny fa mety hilaza ny hevitro izay tsy hifanaraka amin'ny hetahetan'ny mpanara-dia ny ankolafy Ravalomanana koa aho amin'ny manaraka...

 

jentilisa, 28 aogositra (08) 2013

Mahaiza mihetsika!

2013-07-21 @ 23:16 in Politika

Efa nanoratra aho ny fankasitrahako ny fomba fihetsiky ny vondron'olona ato amin'ny Facebook amin'ny fahaizana mihetsika milamina sy tsy mikorontana sady tsy hiteraka korontana raha ny tokony ho izy, afa-tsy tena fanahy iniana avy amin'ireo nirahina hanakorontana mihitsy. Ny tena mahafinaritra dia tsy hita ho manana fironana politika izy fa tena olom-pirenena te-handray ny andraikiny tokoa. Avy amin'izay ihany no ahafahany mahazo olona be indrindra izay samy mitady ny hanatontosana ny fifidianana avokoa ohatra. Tahaka izany no nampazoto ahy nanoratra ilay lahatsoratra vao andro vitsivitsy lasa izay ka iandrasana ny fotoan-dehiben'ny "fifidianana amin'ny 24 jolay 2013".

Nivoaka ny fanazavana vitsivitsy voalohany, amin'ny ankapobeny dia tsara ny fotoana sy ny hanaovana ilay hetsika, fa nahita indrokelin'ny mpandrafitra aho no nahatery ahy hanoratra indray na dia tena efa sasakalina aza ny fotoana anoratana. Averina, mety ilay fotoana atoandro amin'ny 12 ora sy sasany satria tokony hanana io fotoana io avokoa ny rehetra fa tsy voatery handeha lavitra ihany koa. Ny andro moa efa saimbolika rahateo fa efa niheverana hanatontosana ny fifidianana filoham-pirenena eto Madagasikara. Ny olana kely, nefa azo vahana vetivety rehefa manana ny fitaovam-pifandraisana ihany isika dia ny fanomanana ny fandaminana hampivaingana ho hitan'ny olona ny zavatra atao.

Ny soratako eto noho izany dia tolo-kevitra ho fanatsarana, afaka miandry fotoana manaraka, efa azo tanterahina ihany koa raha vonona satria ilaina ihany koa ny halakin'ny zavatra atao nefa mahomby. Tolo-kevitra ny hoe raha hivoaka ihany dia tsy midina an-dalambe fa manao hendry tsara eny amoron'arabe. Tsy manelingelina ny fifamoivoizan'ny fiara, mety ho tapaka an-tenatenany ny rojo nefa tsy natao hampaninona izany. Ankoatra izany moa dia tsy tiako loatra ilay izy handalo tsena na tsenam-barotra fandrao misy manararaotra, izay ihany koa ilay maha-tompon'andraikitra. Raha hivoaka ihany maninona raha ny lalana iray mamakivaky ny tanàna no hanaovana azy? Azo atao ihany koa ny manamorona ny Lalampirenena ho an'izay manomorona ny lalampirenena fa raha azo atao dia tsy ampandalovina tsena sy be tangoron'olona loatra fa mora ny fanakorontanana amin'ireny faritra ireny. Lalan'i Baltika (fr: Voie Baltique sy en: Baltic Way) no anaran'ilay hetsika tiako hanatsarana azy. Fa ny tena tsikaritra ho manao azy ity dia ny firenena tany amin'ny nofehezin'ny Sovietika teo aloha (sady tany koa no nahitana azy voalohany)

Ahoana ary raha ny eto Antananarivo ohatra? Lalana lehibe iray isaky ny faritra no ifamotoana, mora indrindra ohatra ny an'Ambohimanarina satria iny lalana fandehanan'ny fiara fitaterana iny dia efa mety. Toy izany ihany koa ireo faritra hafa tsy manana lalana afa-tsy tokana toa an'Itaosy sy ireo akaiky lalam-pirenena. Fa ny anaty tanana somary mivelatra kosa no manao ahoana? Ny firaisana voalohany, noho ilay petra-kevitra hoe tsy mandalo tsena sy be tangoron'olona loatra dia manaraka ny lalan'ny 119 fa eo amin'ny paositra 67ha (telma) no manomboka dia mitomandavana manaraka an'Andriatany sy Ampefiloha ary Anosy fa mibirioka mandalo ny Boriborintany fahaefatra (Andrefan'Ambohijanahary) dia mizotra mankany mankany...

Ny boriborintany fahatelo kosa azo atao miainga amin'ny paositra Antanimena tahaka ny lalan'ny 160 sy 166 rehetra iny fa rehefa eo Ampandrana kosa dia miakatra mankany amin'ny EPP (SFF) Ankadivato mivoaka mankany amin'ny Espace Medicale (Mascotte) ary mifampitohy mankany amin'ny Score Antsahabe (fa tsy miditra ny tonelina Ambanidia) mandeha Ankazotokana mivoaka eny amin'ny terminus 186 dia afaka mizara roa ny lalana fa ny tiako fotsiny dia mamonjy ny paositra Ambanidia indray ny tondrozotra ary dia manaraka ny lalan'ny 116, 192 mankany Mandroseza. Azon'ireo mpiasa manodidina an'Analakely ny manao valalamanjohy tsy mihetsika manaraka ny zaridaina ilany atsimo, ilay lalana tsy voatapaky ny fefin'ny Lapan'ny tanàna ka mitodika manoloana ny paositra Analakely dia afa-miakatra mamonjy an'Antaninarenina hatrany Ambohijatovo. Mety ho lava loatra ny 5mn amin'izay fotoana izao fa mety ho fohy ihany koa fa mba mila fahefakadiny ohatra. Rehefa mivoaka amoron-dalana dia amin'ny ilan'ny sisindalana ihany fa tsy manao andaniny sy ankilany. Dia izay ilay resaka, revirevy ihany ny ahy nefa toa mora tontosaina raha maro ny olona vonona. Tsy mila mihogahoga fa mba mifampitsiky sy mifampiarahaba amin'ireo olona mitovy fitakiana aminao.

Tsorina fa tsy mpikarakara aho, nefa manao izao fandraisana anjarako izao ho fampieritreretana ny rehetra, azo tontosaina ny toy izao sa tsia. Maro ny rohy azonareo hieritreretana fa izay kely fantenako koa tsy ambaka angamba. Tsy mila mihogahoga mameno arabe sy mandehandeha tsy fantatra hoe mankaiza fa mba mitazatazana hivoaka sy haka rivotra kely e! Raha mbola mahita anaparitahana olona amin'izany moa ny mpitandro ny filaminana dia voatery hilahatra hanemitra ny sisindalana ihany koa, nefa tsy vao maika ve moa ho amin'ny fandraisana anjarany izany? 

Jentilisa 22 jolay 2013 na roa andro mialoha ny "fifidianana"

 

Fampahatsiarovana ny rehetra: firenena tena nanjakan'ny fanapenam-bava no nanaovana io karazana hetsika io voalohany nefa niteraka fiantraikany goavana teo amin'ny tantaran'izao tontolo izao!

Fifidianana 24 jolay 2013 : Hotontosaina fa amin'ny fomba hafa

2013-07-20 @ 01:33 in Politika

Mandeha dia mandeha ny fotoana, ary mihazakazaka toy izany koa ny andro fa i Madagasikara ihany no tafahitsoka tsy mety tafavoaka amin'ny krizy mahazo azy. Misy ny tsy manaiky intsony ny toe-draharaha saingy tsy afa-nitroatra, satria mbola miandry tarihina hatrany, na tsy mahita ny hevitra ho entina hanehoana izany fanafintohinana izany.


Misy kosa ireo miezaka ny mifamory ka niainga tamin'ny media sosialy (Facebook) haneho sy hanandratra ny feony amin'ny alalan'ny fihetsika atao am-pisainana. Nanangana ny vondrona tamin'ny alalan'ny Facebook ry zareo ary efa nanao ny hetsika ihany koa. Hetsika notontosaina ny andron'ny fankalazana ny famerenana ny fahaleovantena, nifanindry tamin'ny fotoana nanombohan'ny matso. Wake Up Madadascar no anaran'izany vondrona izany. Nahazo fanamarihana manokana avy tamina tranonkala mpisolelaka ny fitondrana io hetsika io ary avy tamin'ny anarany amin'ny teny anglisy no tena namelezana azy. Nolazaina ihany koa ho saribakolin'ilay mpanolotsaina avy amin'ny masoivoho vahiny iray teto amin'ny firenena ihany koa moa ireo vondron'olo-tsotra te-handray andraikitra maha-olo-pirenena fa tsy hijanona ho olo-pehezina (vahoaka no nosoratany!) na valalabemandry! Mbola maro hafa ihany koa ny kiana nataon'ny olona sasantsasany manana sehatra itenenana amin'ny mpihaino maro saingy tsy nahakivy ireto vondron'olom-pirenena ireto izany.


Niditra tamin'ny dingana faharoa ry zareo ny andron'ny 18 jolay nentina hilazalazana an'i Nelson Mandela ary naka toerana anaty trano afovoan-tanàna iray nanaovana izany. Tetsy amin'ny Tahala Rarihasina io ary natao hamohazana ny olona hifoha amin'ny torimasony sy haka ny sata maha-olompirenena manana andraikitra hanarina an'i Madagasikara azy. Nihanivaingana kokoa ny hetsika niainga tamin'ny aterineto tamin'io fotoana io, satria tsy vitsy ireo olona nandalo teny. Taorian'ny hetsika ankalamanjana notandremana fatratra tsy hisian'ny fihoara-pefy dia naharitra ora maromaro kokoa indray ity fotoana ity. Tsorina fa midera izay fomba fiasa izay ny mpanoratra. Tsy mahalala aho raha nisy ny fanentanana tamin'ny haino aman-jery fa nafana kosa ny fanentanana tamin'ny alalan'ny tambajotra sosialy. Ho avy indray ny dingana manaraka ary amin'io herinandro io izany!


Ny andron'ny 24 jolay 2013 no nokasaina hanatontosana ny fifidianana filoham-pirenena teto Madagasikara, nitsaha-ketrika tampoka anefa io fotoana io rehefa noforonina ny olana eo amin'ny tontolo politika. Hanamarika izany amin'ny fombany anefa ry zareo ao amin'ny Wake Up Madagascar, heveriny ho toy ny hisy ihany io fifidianana io ary efa mampiomana ny rehetra sahady ry zareo hanaraka tsy tapaka ny pejiny hamoahan-dry zareo amin'ny antsipirihany ny karazam-pifidianana hatao amin'izany andro izany. Raha namaky ny lahatsoratry ny namana iray anefa ny tena dia afa-mitarataratra sahady hoe tahaka ny ahoana no mety ho atao amin'io fotoana io. Karazana hetsika hitondrana hetaheta izay miompana amin'ny hoe "Satria tsy avela hifidy isika". Tena mandeha isan'ambaratongany ny zavatra tontosaina, ary mihevitra aho hatreto fa tena manao azy am-pisainana ry zareo mpikarakara. Ny mampiavaka azy ity dia ilay hetsika niainga manokana tamin'ny tambajotra sosialy fa tsy avy amin'ny haino aman-jery loatra nefa dia irariana sahady ny ho fahombiazany.


Nahoana tokoa no tsy hirary ny fahombiazany raha mitondra ilay hetahetan'andian'olompirenena ry zareo [Valalabemifoha]? Hatreto ankasitrahako ny zavatra ataony sady mitandro hatrany ny tsy isian'ny fandrobana na vakitrano ry zareo. Nanoratra izao aho ho fampahafantarana anao mpamaky fa misy ny fandraisana andraikitra ataon'olompirenena eo anivon'ity krizy ity ka sao mba mahaliana anao ihany koa ny zavatra ataony. Karazam-panoroan-dalana hamoahanao ihany koa ny hevitrao, ny hetahetanao, ny tsikera avy aminao ho hitan'ny besinimaro tsy ilàna herisetra na korontana. Entina hamaranana, karazana torohevitra ihany: aza miankina amin'ny sms ianao fa mety ho ora dimy na enina, eny, mety ho ny ampitso na andro maromaro mihitsy aza vao mety ho tonga any amin'izay iantefany iny fa antso mivantana atao. Efa fantatry ny mpikarakara ny Wake Up Madagasikara angamba izany ka izay no nandrisihany ny olona hanaraka hatrany ny pejy ofisialiny fa tsy amin'ny toeran-kafa! Mirary soa ho an'ny Wake Up Madagascar, mirary fahendrena sy fahombiazana... Ho anao olom-pirenena manana kaonty Facebook kosa: raha ankasitrahanao ny ataon'ireo mpikarakara ny Wake Up Madagasikara dia tsindrio ny "J'aime" na ny "Like" ao amin'ny pejy Facebookn-dry zareo...

Jentilisa 20 jolay 2013

Ny andron'ny aniverserany 12/12/12 no nahenoana ny tsy irotsahany hofidiana

2012-12-13 @ 00:39 in Politika

Tsy nihevitra ny hanoratra vetivety aho satria vao omaly maraina no nanao izany. Andeha atao hoe nanana ny lanjany ny andro nitokanana ny Coliseum teny Analamahitsy. Misy ny te-hitahiry ny sarin'izany fitokanana izany amin'ny alalan'ny fividianana ny gazety mamoaka sary maromaro avy tany. Tsy omeko tsiny loatra satria safidiny izany. Atao hoe malaza satria toeran-danonana fihirana lehibe indrindra manerana ny Ranomasimbe Indiana (tapany andrefana ihany no fantatsika!). Maro ny tanora no nankafy ny fety aman-danonana teny. 


Toy ny fety rehetra ihany, nisy ny naharitra hatramin'ny farany ary tsy nahagaga loatra raha be ireo tanora niaraka vitsivitsy na maromaro mandeha an-tongotra mody avy eny Analamahitsy, mandalo Alarobia sy Ankorondrano na mandalo Andranobevava, Ambatomainty sy Anjanahary na Masikara amin'ny sivy ora alina. Azo itarafana ny fitiavana fety, na fitiavana ilay mikarakara ny fety, izany ary mba tsy vitsy kosa ireo mody mandeha an-tongotra manavatsava an'Antananarivo faran'ny taona tahaka izao. Ho an'ny mpahalala manko, ny faran'ny taona no tena maharomotra ny mpanendaka sy ny mpangalatra satria amin'iny fotoana iny no manamanana vola ny olona [mpiasa] noho ny tambin-karama azony ary fantatry ry zalahy izany amin'ny ankapobeny ka mba maka ny anjara tambin-karamany ho fanomanana ny fetiny ihany koa.


Be moa no nanombatombana fa tamin'ny fitokanana ny Coliseum iny no ilazan'i Andry Nirina Rajoelina, filohan'ny FAT, izay irotsahany na tsia amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena kasaina hotontosaina amin'ny herintaona io. Saingy diso fanantenana ry zareo satria tsy voavaly tany ny fanontaniana.  Anjara safidin'ny mpikabary ihany moa io, ijereny raha izany no fotoana mety na tsia. Ny fihirana ny hiran'ny tarika Tsiakoraka mitondra ny lohateny hoe Namana moa no tena nataony sy ny fitantarany ireo fotoana nandalovany tao amin'ilay toerana sy ny tsapany ary ny karazana fampieritreretana ankolaka izay tena tia tanindrazana sy nanao zavatra ho an'ny firenena. Azy izay ary teniny, fa dia maromaro moa ireo artista no somary nandoka sy nanao karazana fisaorana tamin'ny alalan'ny hiran'izy ireo namboarina ihany. Henry Ratsimbazafy tamin'ny hira hoe "Misaotra anao aho ry... Andry TGV..." Tsiliva miaraka amin'ny "I love You (Mademozely) Andry Rajoelina" [ny mpijery mihira hoe Andry Rajoelina moa ilay mpihira tahaka ny manadinodino ka mademozely ihany no voatonona] ary ny "misaotra e! misaotra nama misaotra".


Fa mandritra izany fotoana izany na somary aoriandriana kokoa, tsy haiko loatra ny fotoana no namoaka fanambarana tany an-drenivohitra tanzaniana tany Dar-es-Salaam [vavahadin'ny Fiadanana] ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana milaza fa tsy hirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana rehetra hotontosaina amin'ny 2013  ny tenany. Mety ho nanaitra ihany ilay vaovao nefa raha nahita ilay vaovao aho ny maraina dia toa tsy nampaninona ahy ihany, tsy fantatro loatra fa izay no tsapako. Tsy nahatsiaro ho diso fanantenana aho, na dia mahafantatra tsara ny safidy politikako aza ny mpamaky. Izaho manokana tsy mahita loatra izay tsininy satria efa tsy mihetsika loatra intsony ny olona eto an-tanindrazana, karazany efa tsy misy tolona intsony fa efa tonga amin'ny antsoina hoe miara-mitantana rahateo. 


Fivoriana toy ny fivoriana rehetra no iheverana ireo tontosaina eny amin'ny Bel'Air Ampandrana sy eny amin'ny Magro Behoririka. Efa maro misara-kevitra rahateo ny mpitolona satria misy ireo tsy manaiky ny fidirana tao anaty rafitra, ho karazana fanaraha-maso avy ao anatiny ny fitantaranam-panjakana, ary misy ireo mitsipaka izany tanteraka satria heveriny ho firaisana tsikombakomba amin'ny mpanongam-panjakana izany. Samy manana ny faharesen-dahatra ao anatiny fa fivakisana no nivoaka avy tamin'izany ary karazany misy aza ireo mpitolona tsy mahazo miditra ny faritry ny magro mihitsy noho izany fivakisana izany noho ny fiampangana famadihana mazava loatra. Ny maro tamin'ireo mpanatrika anefa no tsy mazoto loatra intsony satria tsy mahalala izay tokony arahina na tsy mankasitraka ilay fivakisana ihany koa. Nilatsaka ary ny fanapaha-kevitra, ahoana ny fihetseha-pon'ny mpanohana azy amin'ny ankapobeny?


Raha ny aty amin'ny serasera, tsy mampaninona loatra ny fanapahan-kevitra ary noderaina aza ny fanapahan-kevitra satria nitana ny teniny tamin'ny fitokisana ny SADC sy efa nilaza ny hanaja ny vokatry ny fihaonana izy. Ahitana ny tena mpanaraka azy ihany koa ny fanapahan-kevitra na be aza ireo mitsikera amin'ny tsy mahamety izany manaraka na mijery olona izany. Ho sahiran-kevitra kosa ny mpanao kajikajy politika amin'ny zavamisy ary ilaiko aza ny isian'ny tahaka izany ahalalany fa sarotra ny mihatsaravelatsihy mandritra ny fotoana maharitra amin'ny filalaovana ity politika ity. Raha tarafina amin'ny avoakan'ny vaovao ihany koa anefa dia mankasitraka ilay fanambarana ihany koa ny maro amin'ny mpanaraka ka nivory fa ny tena tanjona dia ny hodiany eto an-tanindrazana. Samy manao ny kajikajiny amin'izany ny tsirairay ka ao ireo mangataka ny tsy irotsahan'ny iray ihany koa ary hatreto amin'ny fotoana anoratana dia tsy rere tsara ireo mpitaky ny tsy irotsahan'ny roa tonta goavana. 


Ny mpanohana na ny avy ao amin'ny antokon'ny andaniny kosa moa dia vao maika milaza fa efa tsy tokony hirotsaka noho ny sazy mahazo azy ihany ny filoha teo aloha, nefa izany tsy manakana ny tsy irotsahan'ny mipetraka eo amin'ny fiketrahana amin'izao fotoana izao. Ny mahavariana aza moa dia tonga araka ilay fitenenana hoe vonton'ny fankahalana tokoa va re fa mbola manome tsiny ny fanapahan-kevitra hatrany. Misy ireo miteny hoe fa maninona no izao vao miteny, misy ny karazany tsy manaiky tsotra izao ilay tsy irotsahany satria any anatiny any mieritreritra izy fa tandindonin-doza ny safidiny raha mbola arahi-maso ny fitohizan'izao tantara izao.


Ahoana kosa hoy ny hevitro manokana? Fony nanara-baovao momba ny fitokanana ny Coliseum aho dia nieritreritra hoe raha izao izy no milaza hoe tsy hirotsaka dia izay vao tena lehilahy ary nahazo isa betsabetsaka teo anatrehan'ny olona amin'ny ankapobeny na hisy aza ireo tsy hiraharaha izay ataony mihitsy ka tsy hivadika amin'izao hosafidiany. Tsorina fa nandritra izany fotoana izany mbola tsy nieritreritra loatra izay mety ho momba an-dRavalomanana aho raha manao izany izy... Ny natrehina rahateo no nahatonga ilay eritreritra. Mety ho diso fanantenana ny mpanaraka mafana fo nefa hitony ihany avy eo. Ny fanatontosana ireo fitokanana isan-karazany anefa dia mampihevitra hatrany hoe hirotsaka i ANR fa sarotra izany hijanona fotsiny amin'izao izany. Ny eritreritro aza moa efa tonga amin'ny hoe fa inona moa no hanery azy hanao izay fifidianana raha toa ka mihevitra tokoa izy fa nahavita be ho an'ny firenena? Iza no atahorana hanaisotra azy eo amin'ny toerany raha efa notambatambazana tsara ny manam-basy isany. Tsy mbola nilaza izay fanapaha-keviny farany anefa izy, satria mbola misy ny foto-drafitr'asa hotokanana amin'ny herinandro.


Kanjo, raha mbola eo am-pikonokononana sy teo am-pandambolamboana ny fifandraisana amin'ny vahoaka ho fanomanan-tsaina izy no nipoitra tampoka ny fanapaha-kevitra avy amin'ny ankilany. Sarotra ny nieritreritra ilay izy satria vao oviana moa no nanambaràny fa tsy mifanaraka amin'ny demokrasia ny fanililikihana ny hafa tsy hirotsaka izany. Amin'ny andron'ny aniveriserany ihany koa ve no ilazana fanapaha-kevitra tahaka izany? Nefa indro ny lehilahy fa niteny ny tsy hirotsaka amin'ny 2013... fa ny tao an-tsaiko voalohany tamin'ny fanononana ilay taona dia hoe: Fa ahemory anie io fifidianana io ka mivadika ny taona fa dia efa tsy anatin'ny taona 2013 nambara intsony izany. Ny tanjona dia ny hodiana... tsy maninona velively na hirotsaka na tsia i ANR. Mirotsaka i ANR vao maika mahatsara zavatra satria fotoana tsara ahafahana mijery ny fitiavan'ny olona azy io. Ny hafa mifaninana no ho sahiran-kevitra fa tsy tokony ho ny mpanohana an-Dravalomanana na ny mpanohana an'i ANR velively.


Efa nolazaiko tany ambadimbadika tany ihany ny eritreritro raha vao nahita ity filazana tsy hirotsaka ity ny tena : Efa re ny fanambarana, izaho manokana dia miantso ny mpanohana Ravalomanana rehetra, na iza izy na iza hanaiky ny fanapahan-kevitra tsy hilatsahan’ny filoha Ravalomanana. Miantso kosa aho etoana ny tsy ametrahana mpandimby na solontenany amin’ny fifidianana eny fa na dia avy amin'ny fianakaviany aza satria tsy fantatra izay tena tanjon’iny olona iny sy nanarahany na mody nanarahany ny filoha Ravalomanana. Aoka tsy hisy kandidà milaza hisolo tena azy. Etsy ankilany kosa dia manentana ny mpanohana rehetra Hanao vato fotsy amin’ny fifidianana ho avy io hijerentsika ny lanjan’ny vato fotsy sy hahazoantsika mamariparitra ny habetsaky ny olona mety hifidy azy raha nirotsaka izy. Tsy vahaolana ny tsy mifidy fa fahaiza-mifidy ahatarafana ny herintsika kosa ny fanaovana vato fotsy.

 
Mety hihevitra isika fa tsy misy dikany na vato fotsy iray tapitrisa [na iray arivoarivo] no eo satria efa nampiarahana amin'ny vato maty ihany iny saingy tsy any no ametrahana ny tanjona hoe dia tena lasan'ny anona tokoa ny fitondrana satria ny azy ny vato manankery. Ho kivy ambony ihany isika raha izay avy hatrany no eritreretina fa ilay maoralin'ny mpanohana mihitsy no tairina. Inona ny ho fientanam-ponao raha mahita fa mahazo ny atsasa-manilan'ny safidy na hoe mihoatra noho ny isam-baton'ny mahazo vato manankery be indrindra fotsiny aza io vato io? moa tsy ho tsapanao avy hatrany ve fa anjaran'izay kandidà ambany isa noho ny vato fotsy  indray ny ho kivy sy mieritreritra lalina? Sa hody fanina tahaka ny ahoana? Moa na ny Firaisa-monina iraisam-pirenena ve tsy ho lasan'eritreritra ihany koa raha mahita fa be loatra izany vato fotsy izany ka tsy mitaratra velively ny safidim-bahoaka izany isam-bato manankery izany? Tena tsy mijery ny vato fotsy sy ny vato maty [ity farany ity no tena tsy fahaizana mifidy fa mieritreritra fifidianana delege na saindikaly angamba] ny lalàna ary ekeko tanteraka ny fisian'izany karazana fepetra izany. Tsarovy fa tsy fifidianana mifanaraka amin'ny Lalampanorenana no hotontosaina fa fifidianana vokatry ny fifanarahana vonjimaika anaty tetezamita ihany. Anjaran'ny filoha Ravalomanana no milaza mazava izay tokony atao amin'ny fifidianana... ka soso-kevitra ihany ny ahy, raha mahita ny tsaratsara kokoa moa izy dia arahaba soa arahaba tsara izany.


Izay indray aloha fa efa lava dia lava mandreraka be izany lahatsoratra izany! miala tsiny e! Ataovy toy ny trafon-kena ome-mahery, am-bava homana am-po mieritra!

 


Jentilisa 13 desambra 2012

Roma sy ny tantaran'ny Firenentsika faramparany

2012-12-11 @ 11:30 in Politika

Dia iarahan'ny besinimaro mahita ankehitriny ny fitokanana ny "Coliseum de Madagascar" izay mbola andrasana ny ho anarany amin'ny teny malagasy. Manahy anefa aho fa tsy ho tonga izany anarany amin'ny teny Malagasy izany. Koa na dia zava-bita eto Madagasikara aza ny toerana ho fialamboly sy ho fanalan'andron'ny besinimaro dia ho toy ny zava-bahiny letrezana eto an-tanindrazana ihany rehefa tsy hisy fametrahana eny amin'ny rindrina ny anarany amin'ny teny malagasy tahaka izay ahitana azy amin'ny teny vahiny. Raha mijery habaka aterineto vitsivitsy anefa isika dia mety ho gaga fa ny Coliseum na ny Colisée tany Roma [fr] dia tsy izany no anarany tamin'ny voalohany fa Amphitheatrum Flavium [en]. Nahazo ny anarana Colosseum na Coliseum na Colosseo izy noho ny tsangambato goavan'i Nerona Kaisara teo akaiky araka ny nambaran'ny mpahay azy any ambadika any ihany. Ny tsikaritra voalohany dia fiarahan'ny teny Latina sy ny teny Frantsay ny anaran'ilay toerana etsy Antsonjobe.


Dia lasa ny tena nanao fikarohana an-tserasera mifandraika amin'ity anarana Coliseum ity. Voafaritra mazava ny fotoana nananganana azy: Nanomboka ny taona 72 AD, nisy ireo nilaza fa vola azo avy amin'ny nanafihana an'i Jodia sy ny fandrobàna ny tempolin'i Jerosalema [fr] no nananganana ity Coliseum any Roma [fr] ity (fa tsy eto Madagasikara). Natao hampialàna voly ny vahoaka, izay nitaky hatrany ny hananganana toerana fialam-boly ("manara-penitra?") sy hanodinana azy rahateo tsy hiraharaha ny resaka politika, izany hoe tsy hitodika any amin'ny fanonganam-panjakana na fiokoana fanaon'ny olona ambony. Tonga tokoa any amin'ilay hoe rehefa misy ny hohanina sy hotafiana ary hirevena dia inona idray koa no hotadiavina? Fa lasalasa ny saina rehefa mahita fa toa misy itovitovizana tamin'ny tantara sy ny zavanisy tany Roma Fahagola ny zavamisy eto Madagasikara amin'izao fotoana izao.


Efa renareo ve fa may ny tanànan'i Roma ny alin'ny 18 jolay 64? Nalaza tokoa izany fahamaizana izany satria faritra maro no tratra, mateti-pitranga ny fahamaizana, araka ny voalaza saingy niavaka izy ity noho ny fifampiteny nifanaovana. Mampahatsiahy ny nitranga teto Madagasikara ny andron'ny 26 janoary 2009 sy ny 27 janoary 2009 ihany koa moa izany. Voampanga ho nandoro ny tanànan'i Roma manko ny kristiana tamin'izany fotoana izany saingy nisy ihany ireo mpahay tantara nanondro fa i Nerona Kaisara no tena atidoha nampandoro ny tanàna mba hanomezana endrika vaovao ny renivohitry ny fanjakana. Fifanandrifian-javatra ve fa nipetraka ho tantara ihany koa fa ankoatra ny fampiadiana ny Gladiatera sy ireo karazana tantara an-tsehatra (anaty rano amin'ny alalan'ny adin-tsambo) dia toerana nampijaliana ny kristiana tao Roma  ihany koa ny Coliseum. Izay lafiny izay moa no mba fantatry ny olona tsy mpanaraka ny tantara eoropeana sy fahagola fa mba nitantarana tamin'ny alalan'ny haino amanjery ny tantaran'ny maritiora kristiana tao Roma.


Fantatrao ve fa nisy izany Forum Romanum izany? habaka manana ny anjara toerana manokana eo amin'ny tantara sy fivavahana ary politika satria mifangaro ao avokoa na toera-pivavahana, na toerana fiadian-kevitra (ara-politika) na tsena. Voalaza moa fa io habaka iray io no ivotoerana teorikan'ny fananganana an'i Roma. Somary nanao fampitahana vilana indray ny tena fa nasiana ny kianjan'ny demokrasia ho sehatra fiadian-kevitra sy fanehoan-kevitra tamin'ny voalohany  saingy efa mikatona tanteraka kosa ankehitriny ny habaka ho amin'izany eto amintsika. Toerana fampilalaovana ny ankizy sisa ny eny Ambohijatovo amin'izao fotoana izao. Toerana heverina ho tsy iresahana politika intsony. Nentina hananganana ny fanjakan'ny mpitondra ankehitriny fotsiny ilay kianja fa rehefa vita ny nilaza azy dia anarana sisa no mipetraka.


Dia mbola avy indray ny heverina ho mifanentana amin'ny Circus Maximus [en] eto Antananarivo. Ambohipihaonana ara-panatanjahantena, mifandraindraika amin'izany ihany koa ilay anarana ho an'ny Malagasy. Hotokanana amin'ny faran'ny herinandro ihany koa manko ny Kianjan'ny Makis. Toa kisendrasendra nefa tena mahavariana ilay fifanaikaikezana anarana Maximus sy Makis. Satria ny hazakaza-tsoavaly no nalaza tamin'ny andro fahagola nampalaza ny Romana fa ny Rugby kosa no malaza mahavory olona kokoa eto Antananarivo amin'ny ankapobeny rehefa leon'ny mijery baolina fandaka ny mpanaraka izany teo aloha, tsy mahagaga raha mitodika any amin'ny mpankafy ny baolina lavalava ny mpitondra. Dia mbola kisendrasendra indray ve fa raha somary boribory lavalava ny Circus Maximus [fr] dia ny baolina kosa no somary boribory ho an'ny Temple de Rugby araka ny nilazan'ny filohan'ny FAT azy ihany. Kisendrasendra ve fa raha natao hanomezam-boninahitra ny vahoaka sy andriamanitra (latina) ny Circus Maximus dia Anarana hafa iantsoana ny Kianjan'ny Makis ny Tempolin'ny Rugby, nefa rehefa miresaka isika hoe tempoly dia toera-pivavahana no ahafantaran'ny besinimaro azy? 


Fa ny tsy tokony ho adinoina dia ny fonenan'ny mpitondra ankehitriny. Iza no efa nahita? izaho tsy mbola nahita fa ny tamin'ny sary kosa dia talanjona aho fa maritrano Romana no hitako ary tsy an-jaza izany endrika izany fa mifanahatahaka amin'ny tranona Amperora na Prefe mihitsy. Jerena amin'ilay andrin-trano fa tena nosafidiana manokana izany maritrano izany tompoko ary mety ho efa nofinofisina hatry ny fahakely! Tsy dia afa-mitompo teny loatra aho satria ny sary ihany no hita fa tsy mbola nahita mivantana. Ka aleo tsy asiana resaka lava fa mba mampieritreritra fotsiny. 


Ary ny hopitaly manara-penitra? raha arahina ireo voalaza ireo dia somary naningana ny hopitaly manara-penitra ity. Inona no tena nanosika azy hanao io zavatra tsy mbola fantatra loatra tamin'ny andron'ny Romana ity? Mety ho tsy "ambition" manokana io zavatra iray io fa tolo-kevitra raha jerena ihany koa ny olona akaiky sy mpanolo-tsaina azy izay malaza manana hopitaly goavana eto Antananarivo rahateo. Na izany aza mety ho nisy tantara manokana ihany koa, izay tsy fantatsika raha atao hoe hevitra avy aminy ihany ilay hopitaly.


Farany, am-panombohana ankehitriny ny tetikasa "Lalankely" izay tsarovy fa mampiavaka ny Romana ihany koa ary manatonga ilay fomba fitenenana hoe "Ny lalana rehetra mizotra ho any Roma". Izay tanàna rehetra eo ambany fifehezan'i Roma dia saiky natao rarrivato avokoa ny lalana rehetra. Ny olana: efa nalaza tamin'ny fanaovana lalana sy hanohizana ny lalana ny mpitondra izay naongany ka sarotra ny hamafa ny tsiaro amin'ny alalan'ny "Lalankely" nefa aleo tanterahina ihany. Ny "Lalankely" eto Antananarivo sy ny manodidina no tena mianoka tombontsoa fa ilay lalana noresahin'ny teo aloha kosa hatrany amin'ny farita saro-dalana no nahatongavany ka nodradradradraina fa ny hampitombo ny ambaindain'ny tiko no tena nanaovana azy ireny. Izao anefa tsy maintsy hotanterahina ihany izy ity. Fa raha malalaka ny LALANA mankany amin'ny fahaverezana dia sambatra kosa ny mahita ny LALANKELY mankany amin'ny Paradisa! Amen!

 


Jentilisa 11 desambra 2012

Tsy halefa televiziona ny revolisiona

2012-11-23 @ 22:58 in Politika

Variana ny tena nijery ity ranamana iray ity. Nitety lahatsary maromaro aho ka nahita ny ompa nataony tamin'ny filohan'ny Firenena heverina ho matanjaka indrindra eto an-tany. Manana fahasahiana izy nefa mahafantatra tsara ny heriny sy ny harena ao amin'ny fireneny izay ahasahiany mijoro. Niely vetivety tamin'ny namana Malagasy tao amin'ny facebook ity lahatsary iray ity.

Tsorina fa lesona lehibe no azo notsoahina tao ary mino tanteraka aho fa efa nakan'izay nametraka ny teti-panorona ny fanonganam-panjakana teto tamin'ny 2009 izy ity ka nidifian-dry zareo avokoa izay fomba rehetra mety hahatafaverina izay naongana teo amin'ny fitondrana. Ohatra: voafehy tanteraka tamin'ny alalan'ny fanoloana ny komandy voalohany sy ny fanoloana ny minisitry ny fiarovana ny tafika teto Madagasikara, ary nobaikoany ny miaramila sy ny mpitandro ny filaminana rehetra niambina ny filoha hiverina an-dakazerina. Raha jerena ihany koa ity lahatsary ity dia tsy hisy na inona na inona vanona raha tsy misy fandraisana anjaran'ny tafika ihany koa.


Ohatra faharoa azo notarafina dia ny fifehezana manontolo ny haino aman-jery. Niara-niasa avokoa ny haino aman-jery tsy miankina hanatontosana ilay fanonganam-panjakana ary natao izay ifehezana izay haino aman-jery tsy anatin'ny tetika tsy hiteny... izany hoe nampanginina tanteraka (canal 8 ilay izy raha manaraka ilay lahatsary ianao, ary raha tsy diso ihany koa aho). Ankehitriny moa saiky voafehy avokoa ny haino aman-jery rehetra eto Madagasikara fa ny gazety ihany no misy vitsivitsy heverina ho mpanohitra, mba hametrahana ilay sarina demokrasia angamba nefa ahoana moa no ilazana demokrasia raha tsy misy akory ny nifidianana eo amin'ny sehatra nasionaly manontolo ireo manandra-tena hitondra? Nanaitra ahy ny nanodinana ilay hetsiky ny mpanohitra hiodina hankany amin'ny Lapam-panjakana misy ny fiasan'ny Filoha... fa efa niandry teny ihany koa ireo mpanohana ny filoha... ary nisy ny tifitra nataon'ny "sniper".

Fa ny tena nampitolagaga ahy dia ny nahasahian'ny mpanohana ilay filoha naongana fa tsy nanaiky ny hametra-pialana nandeha ihany koa teny amin'ny Lapam-panjakana satria fantatry ry zareo anaty any angamba fa tsy hitifitra azy ireo velively ny mpiambina ny filoha rehefa tsy mihoatra ny tsipîka tsy azo ihoarana ry zareo. Fa iverenako ilay fandehanana nankeny an-dapa nisiana "sniper" nitifitra olona: tsikaritro fa teny amin'ny lohany no voatifitra ny azo sary tamin'ireo voatifitra, ka mba te-hanontany tena aho hoe ary faritra taiza tamin'ny tenany ireo voatifitra tamin'ny 7 febroary 2009 moa no voa ka maty? Fanontaniana tsotra ihany ny ahy. 

 

Nahavariana ny hasiakan'ny polisy na miaramila tamin'ny mpanohana ny filoha naongana raha arahinao ny sary fa tsy nampiala ireo mpanohana izany satria nisy hatrany ny fantsona nahafahana nampita vaovao, dia ny haino aman-jery iraisampirenena, nefa raha narahintsika ny zavamisy teto an-toerana nanana ny lanjany koa ireo mpanao gazety iraisampirenena ary niasa mafy tokoa ny sasany hanaratsiana olona sy hanatsaratsarana izay tohanany na iraka nampanaovina azy hotohanany. Be ny eritreritra nandalo tao an-tsaina ka izay no amoahana ity lahatsary somary maharitra adiny iray mahery ity hotsakotsakoanao ihany koa. Farany, lasa fijeriko mihitsy ny vaovao any Amerika Atsimo an! efa nisy ny fotoana nilazako ny tany Honduras izao indray izay nisy tany Venezoelà efa nihoatra ny folo taona mahery izay!!! Ary rehefa misy tombontsoan'ny firenen-dehibe voakitikitika ve vao tena azo antoka ny isian'ny fanonganam-panjakana?

 
Fa hivadika zavamisy eto Madagasikara kely aho. Somary nahavariana ahy ny fihetsiketsehana nataon'ilay olona iray izay nandritra ny tontolo andron'ny 22 novambra 2012. Indro izy nivezika etsy, nivezika eroa milaza ny hanombohan'ny tetika fanamboarana lalankely sy fotodrafitrasa tahana ny paompy sy fanasan-damba. Somary tadidiko ihany fa efa nisy ny fifanarahana teo amin'ny mpitantana an'Antananarivo sy ny AFD (Frantsay) amin'ny hanamboarana ny lalankely mihoatra ny 100 km izy izay... vao ny 30m no vita tamin'ny herintaona na roa taona izay dia tsy re intsony izay tohiny. Ity angamba ilay izy fa nipoitra rehefa hokarakaraina amin'izay ny fifidianana, araka ny tombatombana, fa dia natao tahaka ireny hoe avy amina minisitera ireny ilay vola. Miresaka 22 novambra ihany dia misy zavatra eritreretina. Ao an'eritreritrao ve hoe inona amin'ny tantaran'i Madagasikara izany? Holazaiko ihany : io no andro nahaterahan'ny Mpanjakavavin'Imerina farany izay nofaritan'ny boky tantara ho mpanjakavavin'i Madagasikara farany nialoha ny fanjanahantany. Mbola ampiana ve izay mahatalanjona amin'ilay daty? jereo anie ny 22/11/2012 fa tarehimarika 0, 1, 2 ihany no miasa... fa misy resaka filalaovan'isa soa aman-tsara indray izany an! te-halaza amina andro iray nanana ny tantarany teto Madagasikara. Takatrao ve izay tiako ampitaina? Rehefa tsy azonao avelao amin'izao fa tsy maninona ka! 

 

Jentilisa

Moramanga: Lalana potika fa tsy zatra miresaka politika?

2012-08-19 @ 15:56 in Politika

 

Lapan'ny tanàna takona ambadika raha zatra ny lalam-pirenena 

 

Tahaka ny efa elaela sahady no tsy nahasoratra teto. Raha ny tena marina be dia be ny zavatra tiana ambara, saingy raha vao manam-pahasahiranana kely dia mihitsokitsoka avokoa ny zavatra hafa tian-kosoratana. Feno ny loha ka avy eo tsy voalamina hatramin'izay tokony hosoratana rehetra. Tsy ninia nangina sanatria fa fangejana hafa tsy ahafaha-miteny koa io fahasahiranana io. Soa fa mba misy ihany ny ahafaha-manokana fotoana ampitana izay mitambolimbolina ao an-doha.

 

Hanoratra ny fihaonana farany tany Maputo indray ve? Inona tsara moa ny zavatra tena antenaina tamin'ny fihaonana tany? Misy ieritreretana lalina ny nanekena ny fandahara-potoana hanatontosana ny fifidianana maro amin'ny 2013. Ny mbola ady mafana dia ny hoe iza no ho afaka handray anjara sy tsy handray anjara? Fa ny fanontaniana hafa manitikitika dia ny hoe iza no mandidy amin'izay tokony na tsy mandray anjara amin'izany fifidianana izany. Nisy nahazo fanomezan-dalana amin'ny vahoaka ve ka mahasahy miteny ho amin'ny anaran'ny vahoaka? Sao dia ny fanomezan-dalana avy amin'ny miaramila ihany no anananao. Ny tafika aloha tsy rafitra demokratika velively ka azo ianteherana ho mahasolo tena vahoaka ve?

 Zotra mpitondra ny mpiasan'Ambatovy nijanona vetivety teo akaikin'ny tsangambato 47 mifanila amin'ny garan-dalamby

 

 

Manoloana izany rehetra izany, toa miandry ny rariny toa rafotsibe very laona ny vahoaka malagasy. Tsy mahahetsika intsony sady ny fahasahiranana koa mandifotra loatra angamba ka miavo-tena manao izay hivelomana sisa. Toa samy mamely azy avokoa na ny jiolahy na ny mpitandro ny filaminana any amin'ny faritra maro ka lasa mampieritreritra azy sao ireto lazaina ho mpitandro ny filaminana ireto ihany no jiolahy mamely azy. Efa nisy ihany ny niteny fa raha nisy nanakan-dalana alina izy ireo fony nandeha lalam-pirenena dia hitan-dry zareo anisan'ny zandary tao an-toby ny iray tamin'ireo mpanakan-dalana alina. Avy hatrany dia tsy manantena na inona na inona intsony ireto niharam-boina amin'ny tohin'ny raharaha.

 

Saingy na dia ny miaramila aza no mifehy ny firenena amin'izao fotoana izao, nefa tsy misy ny tsindry lentam-pahefana enti-manohitra ny miaramila sady tsy azo atao izany satria lazaina ho fiokoana avy hatrany. Tsy azo avela ho azy ireo, na ho an'ireo lehibe ao aminy, velively ny ho avin'ity firenena ity sy ny vahoaka eo aminy. Tsy maintsy abaribary amin'izy ireo fa manana anjara asa fampandrosoana avokoa ny tsirairay. Izaho manokana moa dia tsy mahita izay ilana ny miaramila loatra satria tsy misy hery vahiny heverina hanafika an'i Madagasikara ankoatra ilay firenena tena iarahany indrindra nefa mila hihodidina an'i Madagasikara ny fari-dranomasiny hitsentsefany izay tokony ho harena an-dranomasintsika.

 tsena manaraka ny lalampirenena mizotra ho an'ny Anosibe an'Ala

 

Ary raha misy ireo mieritreritra fa tsy manam-potoana iresahana na hieritreretana politika dia ho diso hevitra mandrakariva izy. Aza mihevi-tena fa tsy tafiditra raharaha maloto ianao raha tsy miditra politika sy tsy miteny izay tsy mety fa arakaraka izay itenenanao fa tsy miditra amin'izany ianao no isian'ny fakam-panahy ho an'ny olona tafiditra ao hibolila ka mampajakazaka ny ratsy. Adidy io ho fiarovanao indrindra indrindra ny zonao hiaina amin-kahalalahana sy tsy iangonan'ny rihitry ny olana isan-karazany. Hiezaka aho etoana hanaporofo izany amin'ny ohatra mivaingana sy azon'ny rehetra hadihadiana. Tanàna andalovan'ny lalam-pirenena be mpivezivezy nefa dia ratsy tanteraka ny lalana raha vao mivoaka lalam-pirenena: Moramanga.

 Tabilao hita eo am-pivoahana ny tanànan'i Moramanga mizotra ho any Anosibe an'ala

 

 

Fanombohana na fiafaran'ny fanamboarana ny tatatra 

 

 

Andro vitsy dia vitsy no nandalovana tao Moramanga, saingy mahavalalanina ny fifanipahan'ny zavamisy sy ny tokony ho lazan'ity tanàna ity amin'ny lafiny maro. Toy ny tanàna hafa rehetra ivelan'Antananarivo na renivohi-parintany hafa (mbola ireny aloha no tanàna tena lehibe miampy an'Antsirabe) dia tsy firesaka loatra izany politika izany; amin'ireo toerana ireo aza moa efa somary manahirana izany miresaka politika izany koa maika fa amin'ny tanàna hafa! fahadisoana lehibe amin'ny ankamaroan'ny Malagasy izay tsy mahalala ny tokony ho andraikiny sy ny tombontsoa arovany anefa izany! tsy adi-hevitra fa ny fijerena izay tokony ho soa iombonan'ny daholobe. Moramanga, tanàna ambonivohitra saingy lalana ratsy toy ny ambanivohitra ankodahoda ny lalana mivoaka ny lalam-pirenena. Tsia, misy lalana iray vita rarivato ihany izay miafara mankany an-tsena nefa tsy mahasakana ny filazana hoe ratsy tanteraka ny lalana ao an-tanàna.


Raha ny toerana misy azy anefa tsy tokony ho izany velively satria tsy lavitra azy no misy an'Ambatovy. Manontany tena ianao hoe dia minia mikimpy ve ny ao amin'io tetikasa goavana dia goavana io no ny lalana ao an-tanàna avy no tsy vita? Tsy menatra ve ry zareo eo anatrehan'ny zava-misy manodidina azy ka hahatonga fieritreretana fa dia mitavana sy mitsentsitra fotsiny no ataony, fa ny manodidina azy kosa tsy misy firaharahiana mihitsy. Hafahafa ihany anefa raha ny Kanadiana no manao izany, ny Frantsay no heveriko ho mahavita izany fa any amin'ny fiaraha-miasa ara-tafika ihany no maha-may azy hamehezana ny olona tsy hihetsika na tonga dia voafehy raha mitady hihetsika. Somary nanipy resaka tamin'izay fantatra ka misy fifanoheran-kevitra ihany nefa mampitodika any amin'ny tompon'andraikitra voalohany hatrany: Ny Ben'ny tanàna izay efa tapitra koa ny fe-potoana iasany raha ny fahalalako azy.

 

 Mety ho avo noho ny arabe ny lalana ho an'ny mpandeha an-tongotra

 

Roa ny resaka mandeha. Voalohany, ny henohenon'olona tsotra milaza fa tsy dia mahavoa teny vahiny loatra ny Ben'ny tanàna ao an-toerana ka matahotra ny hifampiresaka amin'ireo lehibebe amin'ny orinasan'Ambatovy. Tsy mahasahy manatona ilay orinasa noho io lesoka io. Misy moa ny miteny hoe tsy misy manakana azy nitondra mpandika teny raha izay no olana eo aminy ary tsy ny tsi-fahaizana teny vahiny no entina ilazana fa tsy mahay koa ianao. Maro ny any amin'ny firenena tatsinanana any no tsy mahay teny vahiny ny mpitondra ao aminy saingy tsy manakana ny firenena na tanàna entiny tsy handroso izany satria mba any amin'ny zavatra hafa ny talentany sy ny anjara andraikiny. Somary tsy dia maharesy lahatra ahy ilay fanazavana saingy izay no fantatry ny olona any an-toerana ka mifampiresaka amiko.Eo ny andraikitra maha-olompirenena: tsy azon'ny mponina ve ny manery ny Ben'ny Tanàna hifampiresaka amin'Ambatovy? 

 

Ny faharoa indray ifanaovan'olona samy manana andraikitra amin'ny sehatra hafa ary efa nifanontany amin'ity faharatsian'ny lalana ity ihany koa. Eto indray dia nisy ny filazana fa efa nisy tokoa ny filazan'ny ao Ambatovy hanolo-tena hanamboatra ny lalana rehetra ao an-tanàna ka ry zareo mivantana no miandraikitra izany. Voalaza anefa fa nitsipaka izany ny Ben'ny tanàna sy ny Lehiben'ny Faritra Alaotra-mangoro ka nilaza fa ry zareo no tompon'andraikitra mahalala ny laharam-pahamehana ao an-tanàna ka omeo azy ireo ny vola hamitana ny laharam-pahamehana (izay tsy voatery ho ny lalana). Vao izany ny valinteny dia tonga dia hoe fa vendrana angaha ny olona tsy hisaina avy hatrany fa ny hanodim-bola no ambadik'izany fomba fiteny izany, raha izany tokoa no marina... nefa ahiako ho izay no tena izy. Tsy mahatezitra ny mponina ao ve ny fandrenesana fomba famaly toy izany sa mitovy hevitra ny olona sy ny mpitondra ao an-toerana?

 

 

Ezaka fampitohizana lalana mifanapaka 

 

Ny zava-misy ao an-toerana aloha ary malaza dia hoe izay vao hanomboka ny asa amin'izay taorian'ny fifandroritana, ny soratra hita amin'ny fafana iray milaza fa efa tokony nifarana tamin'ny volana febroary 2012 ny "fikojakojana" ampahan-dalana iray izay andalam-panamboarana amin'izao fotoana izao. Ny hafa heverina ho tena mahalala kosa milaza fa ny tatatra ihany no nifanarahana hamboarina fa tsy mbola misy resaka lalana mihitsy, ny fanaovana tatatra kosa aloha tsy maintsy mialoha ny fanamboarana ny lalana. Izay no zava-misy: Ilaina sa tsy ilaina ny olona ao hiresaka io olana io? Zon'ny tompon'andraikitra ve ny manakana ny fanaovan-javatra ao amin'ny faritra na tanàna sahaniny? Tsy misy fiaraha-monim-pirenena afaka miteny na mitaky ve ao? Izay, araka ny fijeriko, ny lesoka rehefa milaza ho tsy miditra politika ny olona satria ny fampandrosoana ny tanànany mihitsy no tsy misy. Sa tena diso tanteraka izany fijeriko izany?

 

Arabe teo aloha lasa ambanin'ny tatatra, hakarina indray ny arabe ankavia? 

 

 

Fiaran'ny zandary hamatratra vary avy ao amin'ny fiaran-dalamby vao tonga avy any Ambatondrazaka

 

 

 

 


Jentilisa 19 aogositra 2012

 

Tonga dia Lasa i Lalao Ravalomanana

2012-07-27 @ 23:16 in Politika

Tonga tao am-piasana androany folakandro. Manao ny asa mahazatra sy andavanandro. Indro nisy "namana" iray tonga avy any dia niresaka hoe malaza amin'ny aterineto any fa nigadona eto an-tanindrazana Lalao Ravalomanana. Gaga dia gaga nahare izany, jereo fa mandeha any amin'ny facebook any, hoy izy. Tsy nieritreritra ny hanokatra tany raha tsy nisy izay teny izay hanamarina. 


Dia indro tokoa fa misy olona vitsivitsy manoratra ny fahatongavany... zendana tanteraka, velona ny eritreritra tao anaty tao: Nisy ihany ve ny fifanarahana fa natao tsy an-kiteniteny? Tena henjana sy tsy ampoizina raha izany tokoa! Nanao ahoana tokoa izany ny fandehan'ny resaka tao Seychelles tao? Raha tsy resaka mangina tokoa, araka ny hevitra nitsiry tao anatiko tao, tsy ahavitana ny tahaka izao. Samy manana ny heviny any ny tsirairay... fa tsy nampino ny fahatongavany teto an-toerana sy ny nahafahany nanitsaka ny tanin'i Madagasikara indray. Miteraka tsirim-panantenana goavana. Nalefa ny hafatra ary dia niraradraraka ny fiarahabana tonga soa. Saingy tsy nifarana ny tantara...


Tsy hita tsara izay tena hevitra, ahoana no atao amin'ity olona ity? Hogadraina ve sa averina tany amin'izay niaviany? Sa ampidirina tsotra toy ny olon-drehetra? Aleo alefa amin'ny fiaramanidina voalohany mivoaka an'i Madagasikara e! Mankaiza? mankany Bangkok, aleo faizina any amin'ny tany tsy fantatra sy tsy misy mahafantatra any. Izay mihitsy anaovana azy. Amin'izay fay tsy mitonantonana aty Madagasikara aty intsony.


Dia inona ny antony androahana azy? Tsy voaresaka ao anatin'ny tondrozotra ny fiverenany. Mampiasa anarana diso izy dia ny anarany fony mbola tsy nanambady izany. Manao hosoka ny anarany sy mampiasa hosoka ny anarany anie tokony hogadraina fa tsy horoahina kosa e. Tsy hay aloha fa dia izay no zava-misy e! Tonga izy izany fa tsy nahazo niditra. Nalefa tany an-dakira... Misy tetika politika henjana dia henjana kosa ao anatin'izany rehetra izany an! samy be fitetika daholo. Dia ho hita eo ny manaraka hoe hatraiza no iafaran'ity resaka ity.


Tsikaritra fotsiny fa 27 volana Faha-07 taona 2012 no andro niseranany teto Madagasikara ankoatra ny 7 roa sy ny 0 roa ny fitambaran'ny isa 2 amin'ny datin'andro (27) sy ny 2+1+2 amin'ny taona (2012) manome isa 7. Sao mbola misy manandro na mampiasa isa amin'ny andro indray ary any ho any?



Jentilisa 28 jolay 2012 

Olona iray ve?

2012-05-23 @ 00:55 in Politika

Na dia tsy te-hanoratra lava momba ny zava-nisy tamin'ny 19 mey 2012 aza ny tena, tsy afa-manoatra fa mba misy ny tsy aritra. Olona iray kosa ve dia nahavita naharatra olona, nahasambotra maro hafa ary nahapotika zavatra maro ihany koa ankoatra an'i Charlot? Sa izay ilay hoe rehefa tena tafahoatra ny lainga vao maika mino ny olona? Anjaran'ny tsirairay no mieritreritra.


Manaraka izany ihany koa, tifi-danitra nataon'ny miaramila teo akaikin'ny Rarihasina no nisy nilaza fa misy mersenera indray tany ho any. Tsy vao maika ve nampidina ireo miaramila tarihinao ho mpikarama an'ady izany? Rehefa maro anie ny nanatri-maso fantatry ny hafa hatrany ny lainga tadiavinao aely!


Fa na izany na tsy izany, nahita imaso ny fitifirana toy ny basy ny olona tsotra mijoro amin'ny sisin-trano aho ka voatery nitondrana maika ilay olona ho any amin'ny hopitaly, Tifitra teo anolonan'ny glacier io. Nahita ihany koa ny tena sady niharany fa ireo ao amin'ny 4X4 mifanaretsaka ihany no manely vovoka mandatsa-dranomaso tamin'ny mpanao gazety sy ny miaramila sy polisy tao anaty kamiao, ireo ihany koa no tonga dia nitifitra ireo olona mbola nisakafo tao anaty efitra fisakafoanana iray tamin'ny alalan'ny baomba mandatsa-dranomaso ihany. Raha miteny hoe mitifitra aho eto fa tsy tifi-danitra dia mitifitra mahitsy toy ny mitifitra haza izay.

 


Indreo ny sary ankoatra izay efa nataoko tato tamin'io zava-nitranga io ihany.

Tafa an-tsary

2012-05-13 @ 20:08 in Politika

Manana ny lazany ny andron'ny 13 mey ka afa-nanararaotra nilaza izay noeritreretina momba izany. Mba teny indray no henoina fa tsy vtery ho ny soratra no vakiana, nefa ilaina tokoa ilay "soratra mitoetra". Indroa aho no nitafa kely ka indreto atolotra anareo etoana eto. Mihainoa na mijere finaritra... [Tsindrio ny rohy 1 sy 2]

Jentilisa 13 mey 2012.

Hilalao olona 13 mey indray sy tsiahin'ny tantara 1972

2012-05-11 @ 11:28 in Politika

Antomotra ny andron'ny 13 mey fotoam-pahatsiarovana ny tolona namaivay namarana ny repoblika voalohany. Mifanahatahaka  amin'izany indray ny zava-misy ankehitriny. Raha tsiahivina, tolon'ny mpianatra ho dokotera tetsy Mahamasina (Ecole de Medecine) efa nitarazoka volana maromaro no niitatra ka niafara tamin'ny tifitifitra tetsy anoloan'ny Lapan'ny tanàna Antananarivo (teo amin'io dobo ankehitriny io indrindra no nisy ireo olona lavo voalohany) sy ny famindra-pahefana nataon'Atoa Philibert Tsiranana filoha vao voafidim-bahoaka indray volana vitsy monja tamin'ny komandy ambonin'ny tafika ny Jeneraly Ramanantsoa.

 


Somary averina kely ilay tsiahy. Samy nisy sekoly fampianarana ho dokotera teo Mahamasina sy teny Ankatso. Samy manana ny lalany anefa ireo mpianatra ireo rehefa mivoaka ho dokotera. Miasa an-tanandehibe ireo mpianatra mivoaka eny Ankatso ary any ambanivohitra ihany kosa no azon'ireo mpianatra mivoaka eny Mahamasina iasana. Nitaky ny fampitovian-danja ny sekoly teo Mahamasina sy teny Ankatso ireo mpianatra teo Mahamasina. Izay angamba no nampalaza ilay hoe sekoly miangatra. Nandeha teny ho eny koa ny olana teo amin'ny sakafo, tsy nahafa-po ny mpianatra...sy izay mety ho antsipiria-javatra madinidinika. Nitarazoka ela ny raharaha. Nivoaka  tsikelikely ny fanambarana nataon'ny fikambanana isan-karazany (sedodia...), nirotsaka an-tsehatra  ny  mpianatra ambaratonga faharoa maro teto Antananarivo. Efa nifampiresaka tamin'ny minisitra fa tsy nahitana vahaolana mihitsy, mandeha ihany koa ny fandrahonana am-bava...

 


Ny 13 mey 1972, hisy ny fivoriana lehibe hotontosaina teny Ankatso, karazana ivon'ny hetsika. Nasaina tamin'izany ny vahoaka. Heveriko, eto am-panoratana fa noho ny "franchise universitaire" no nahafahana nanao izany fivoriana teny Ankatso izany. Nosakanan'ny mpitandro ny filaminana teo Ambohijatovo tsy hahazo hizotra ho any Ankatso ny vahoaka. Tafangona ho azy teo Analakely noho izany ireo olona saiky hitanjozotra ho eny Ankatso. Nitifitra avy tetsy amin'ny Lapan'ny tanàna ny FRS, izay heverina ho andia-tafika manokana itokisan'ny mpitondra kokoa tamin'izany fotoana izany. Raikitra ny sahotaka. Nisy ny maty voatifitra ary nisy ny naratra. Nitady fialofana amin'ny balan'ny FRS ny olona. Nanao sorona ny tenany nanani-drindrina sy niantoraka teny amin'ireo FRS mpitifitra ny vahoaka ireo tanora tsy an'asa antsoina hoe ZWAM. Isak'izay misy ZWAM mitsoraka no raikitra  tsy  ankitsahatra ny tora-bato avy amin'ny olona. Nandà tsy nanaiky ny hitifitra kosa ny tao amin'ny zandary. Nankasitrahan'ny olona izany fandavana baiko tsy hitifitra izany.

 

Ny ampitso, alahady, vao nisy nandoro io Lapan'ny tanàna io ary heverina fa ho fanafenana dosie tsy mazavazava na entina hanafenana izay mety ho fandrobana entana natao tao no tena anton'ilay fandoroana... Nivadika tanteraka ny toe-draharaha taorian'ny tifitra sy famonoana olona ary ny fandefasana ny mpitarika ny tolona nankany Nosy Lava. Ny vahoaka teto Antananarivo kosa nizotra sy nilahatra tetsy Analakely hatrany... Noho ny sahotaka tsy nety voavaha no nahatonga ny lehilahy rehetra saiky hiakatra eny Andafiavaratra, misy ny toera-piasan'ny filoha tamin'izany,  ny andron'ny 18 mey 1972; io toe-javatra io no nakan'ny hoe hankeny Iavoloha (1991) na hiakatra an'Ambohitsorohitra (2009) tahaka taty aoriana. Teo Andohalo no nosakanan'ny tafika, ninia tsy nitondra na inona na inona, tsy basy tsy kibay, ireo olona ireo ary nilazan'ny Jeneraly Ratsimandrava fa efa nomena azy ny fahefana feno. Hafaliana tsy omby tratra ny an'ny olona raha nandre izany satria nivaly ny hetaheta hoe "Tafika, raiso ny fahefana!"

 

Izay ny tantara, ankehitriny kosa, raikitra indray ny fanentanana ny olona hidina an-dalambe amin'ny 12 mey 2012, eo Ambohijatovo. Ny fotoana ihany no mety hisy fifandraisany tamin'ny taloha, toy ny natao tamin'ny 28 marsa 2009 ihany, fa tsy mitovy intsony ny ankoatra izany: Mpampianatra no mitokona fa tsy mpianatra, tsy mpampianatra anefa no miantso ilay fidinana an-dalambe fa antoko politika. Ekena tokoa fa manahy dia manahy ny fotoana tahaka izao ny fitondrana ka misy ny fampihorohoroana madinidinika ilazana fa misy ny manomana grenady hamelezana ny mpidina an-dalambe sns... fa hitovy tamin'ny 28 marsa 2009 ihany io. Mety tsy hitsoaka baomba mandatsa-dranomaso ny olona fa tsy maintsy hitsoaka ihany manoloana ny basy mipoaka  tsy misy bala, na bala fingotra. Saingy hitako eto fa hitsoaka amin'ny baomba mandatsa-dranomaso avy hatrany ny olona, ary ny mpitarika no hitsoaka voalohany ka hampisaritaka ny mpanaraka. Tamin'ny 28 marsa 2009 no tsy nety niala ireo nitarika fa io Asabotsy io manahy mafy aho fa tsy hisy izany. Raha entina hanambarana hiala tanteraka amin'ny Tondrozotra tsy mety tanterahina moa maninona fa hita ihany fa mamy ny seza ka ny hifikitra ihany no ho fantatr'ireo nahazo toerana. Hiara-maloto ao daholo ihany ny rehetra... dia izay ilay lazaiko hoe hilalao olona fotsiny ireo heverina ho mpitarika  fa ny seza ihany no hofikirina avy eo!


Jentilisa 11 mey 2012


PS: izay manan-kambara sy te-hanitsy iangaviana mba hanoratra...

Inona koa no andehanana eny ambohijatovo?

2012-04-28 @ 09:22 in Politika

Somary malazalaza izao handehanana eny Ambohijatovo anio [28 avrily 2012] izao. Samy manontany izay antony andehanan'ny ankolafy Ravalomanana eny ny rehetra. Nolazain'ny parlemantera moa fa hanaovana tatitra amin'ny vahoaka no hanaovana azy. Antony avoaka ofisialy ihany izany fa heveriko ho fitadiavana antony ialana amin'ny rafitra isan-karazany nidirana ary hiditra amin'ny fidinana an-dalambe ho fanoherana mahery vaika kokoa, ary tokony izany ihany. Izaho manokana manko tsy mahita intsony izay mbola ifikirana amin'ny rafitra rehefa tsy tratranao ny tanjona tokana nokendrena hatramin'ny voalohany indrindra dia ny hamerenana ny filoha Ravalomanana eo amin'ny fitondrana indray, ary amin'ny alalan'ny fifidianana andraisan'ny besinimaro anjara izany. Rehefa tsy hanao izany ireo mpitarika rehetra ao amin'ny ankolafy Ravalomanana dia namadika tanteraka ny tolona amiko. Reseo lahatra amin'izay mifanohitra amin'izany aho.


Raha ny fanaony hatrizay, tsy hanaiky ny hamoriana vahoaka eny Ambohijatovo na 13 mey izany ny fitondrana amin'ny alalan'ny prefektiora. Tsy maintsy handrava ny fihetsiketsehana eny ny miaramila sy ny zandary ary ny polisy raha izay fanao mahazatra izay no raisina. Miainga avy amin'izay noho izany no tokony nanaovana ny tetika itadiavana antony hialana amin'ny rafitra mitongilana sy manome vahana ny nandroba-pahefana. Rehefa miala dia miala tanteraka fa tsy manao sarimihetsika mody mivoaka ny trano, manasa tanana toa an'i Pilato hoe tsy nandany azy tao aho an, nefa averimberin'ny fanambaram-pinoana isaky ny alahady hoe "Nijaly fony nanapaka Pontio Pilato", dia avy eo miverina maka seza noho ny fitadiavana mandrakariva ilay tombontsoa sy karama be raisina isam-bolana eo amin'ny sezam-boninahitra. 


Noho izany, raha mbola manao izay fanaony mandrava fihetsiketsehana izay ny mpitana fitaova-piadiana, dia tafiditra anatin'ny fandrika nomanina, araka ny eritreritro eo ambony. Raha aorian'ity fotoana ity no miala daholo ny tompon'andraikitra ao amin'ny ankolafy, mino aho fa hiverina amin'izy ireo ny fitokisan'ny olona; fa raha tsy misy ny fialana ofisialy, heveriko fa heverin'ny olo-tsotra mpitolona rehetra ho mpamadika avokoa ireo mpitarika rehetra ireo. Tsy ilaina intsony ny fanilihana andraikitra hiandry izay fanapaha-kevitry ny SADC izay tsy hiraharaha anao intsony.

 

Raha mamela malalaka kosa dia karazany voafandrika ihany ny mpitarika ny ankolafy nefa fanararaotra izany hamoriana ny olona indray ny talata voalohany volana mey, sy hidinana eny an-arabe, rehefa tsy hanao izany intsony ny sendikà amin'io andro fanararaotra hanaovana fihetsiketsehana io, satria tokony ho ny sendikà no manao fihetsiketsehana isaky ny mandalo io vanim-potoana io. Na ahoana izany na ahoana tokony ho ainga vaovao amin'ny tolona ity andro anio ity na mahomby na tsia. Tsy maintsy ho tafapaka any amin'ny olona hatrany fa miala anaty rafitra ianao rahariva ary hanao fidinana an-dalambe ny voalohany volana mey. Zavatra mandeha ho azy izay eritreritro izay fa tsy fantatro aloha izay tena any an-tsain'ireo mpitarika rehetra ireo.


Ninia tsy namoaka izao resaka izao aho raha tsy efa nihoatra ny tamin'ny folo ora nifanarahan'ny mpitolona. Samia mamakafaka sy mieritreritra. Vaovao hafa eny an-tsisiny: somary namoaka bolongana hafa ialana voly ny tena amoahana izay mahafinaritra sy hita tany an-kafa ary manomboka mamoaka tononkalo ezahina hivoaka isan'andro any amin'ilay bolongana voalohany natsangako. Mazotoa mitsidika ireo sehatra roa ireo.

Lahatsary 21 janoary 2012 maraina [Nampiana]

2012-01-21 @ 12:30 in Politika

Dia tsy tafody indray izany i Dada, na izany aza dia misy sary omena anareo teo am-piandrasana izany...

#M21112

 

Ny sary hafa rehetra kosa moa dia hitanao ato

#Madagascar21112 raha hanara-baovao fitsenana

2012-01-20 @ 21:35 in Politika

Na ahoana na ahoana dia andro manokana sy miavaka ihany koa eo amin'ny tantaran'i Madagasikara ny fitsenana indray ny filoha Ravalomanana ny Asabotsy 21 janoary 2012. Rehefa amin'ny fotoana tahaka izao dia misy ny antsoina hoe hashtag na mot-clé izay nadikanay hoe tenifototra ampiasaina hahamora ny fanaraham-baovao.

Efa nisy ny resaka tany ambadimbadika tany hoe mba #21112 ny tenifototra ampiasaina amin'io andro io. Rehefa nojerena anefa dia mifangaro amin-javatra hafa ilay tenifototra ka maniry indray aho ho #Madagascar21112 ny ampiharina hahamora kokoa ny fandefasam-baovao mivantana. Dia mirary soa antsika rehetra ary enga anie tsy hisy ny ra latsaka na faharatrana.

Adi-hevitra Malok'ila Politika

2011-11-04 @ 11:47 in Politika

Mankasitraka anareo namaky ny lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe Malok'ila Tohiny sy Hitohy iny. NY faniriako moa dia ny hametraka adi-hevitra ka tsy mampaninona mihitsy ny tsikera milaza fa tombatombana ny raharaha. Arakaraka ny toerana misy ny tsirairay koa moa no fomba fijery iny raharaha iny. Na izany aza dia mbola nitohy ny adi-hevitra.

 


Gazety iray moa namoaka hoe nahoana no tsy ho lany mihitsy i Botozaza, toa nalaza ho notenenin'ny Ambasadaoro Frantsay tamin'ny 28 oktobra ihany koa moa izany ka nampisy raharaha hafa, dia nolazaina fa Botozaza, amin'ny maha-minisitry ny fitaterana azy fony Ravalomanana filoha, no nametraka ny Silo an'ny Tiko tao Toamasina sy nandroaka ny vondrona Seabord amerikana, teo ihany koa ilay fividianana voromby filoham-pirenena. NOho ireo rehetra ireo dia nametraka ny VETO ny Departemanta Amerikana. Lasa ny saiko hoe: koa raha izany dia ny Amerikana mihitsy (ankoatra ilay tenin'ny Ambasadaoro Frantsay) no mitsipaka izay mety ho avy amin-dRavalomanana. Amiko Ravalomanana no tompon'andraikitra voalohany amin'ireo rehetra ireo fa mpanatanteraka fotsiny tamin'ny maha-minisitra azy i Botozaza Pierrot. Izany hoe raha raisina ny lazain'ity gazety Courrier de Madagascar ity dia tsy hahatafiditra praiminisitra mihitsy ny ankolafy Ravalomanana satria samy hitsipaka izany hatrany ny Frantsay sy ny Amerikana, noheverina ho miady tombontsoa eto Madagasikara.  

 


Hevitra faharoa nivoaka ihany koa nataona mpanadihady iray, mpanao gazety fahiny tao amin'ny RNM aza ny tenany. Namariparitra ny fijeriny tamin'ny fanantanterahana ny sori-dalana voatsikera teo amin'ny fanendrena praiminisitra. Namahavaha ny tenany fa araka ny voalaza ao amin'ny andininy fahadimy ny praiminisitra dia tsy avy amin'ny ankolafy sady tsy iray fiaviana (faritany) amin-dRajoelina. Ny niavian'ny fanendrena, hoy izy, na dia eo aza ny maha-leader azy dia izy natolotr'i Zafy sady tsy iray fiaviana amin-dRajoelina no tsy avy amin'ny ankolafin-dRaoelina. Raha itarina kely ny fanazavany dia mbola tafavoaka tsy azo fidiana indray izay avy amin-dRavalomanana satria iray fiaviana (faritany) Rajoelina sy Ravalomanana. Ny hevitro aloha dia diso izany fomba fijery izany satria toy ny manamarika hatrany fa tena natao mihitsy izay nanalana ny ankolafy Ravalomanana tamin'ilay tondrozotra. Fa raha izany no marina dia henjana ilay teti-panorona nahavitana iny sori-dalana farany teo iny. Efa rere moa ankehitriny fa tsy hiditra anatin'ny rafitra ny movansa Ravalomanana

 


Mbola raikitra hatrany ny resaka amin'ny hoe nahoana ny Beriziky? Ny nahavariana sy nisongadina teo imasoko voalohany dia izy framasao, vondron'olona manana ny heriny na aiza na aiza manerantany, raha mbola marina hatrany ny filazan'ilay gazety namoaka azy. Fa ny tena manitikitika ny maro hatreto dia ny nifidianan'i Zafy Albert azy hatolotra na dia niaiky aza Atoa Beriziky tenany fa tsy avy amin'io ankolafy io mihitsy izy. Dia hoy aho taitra tampoka hoe: toa avy any Avaratra moa izy iny? Ary Zafy Albert koa moa tsy avy any avaratra? Milaza ho tsy mahazo moa ny olona hoe nahoana no olona efa niara-dia tamin'i Andry Rajoelina tamin'ny 2009 no natolony dia hoy aho hoe mety ho safidim-paritra an! zony izany ary safidiny.

 


Jentilisa 4 novambra 2011, amin'ny 13:48 (oay, anniversaire-n-dRatsiraka moa izany? hum hum)

 

vakio koa ny resaka solika

Malok'ila tohiny sy hitohy

2011-11-01 @ 17:26 in Politika

Somary niandry kely aho dia nahatsapa fa nanaraka malok'ila indray ny Malagasy tamin'ny fanendrena ity antsoina hoe Praiminisitry ny marimaritra iraisana tamin'ny 28 oktobra 2011 lasa teo. Efa nahagaga ny maro ihany ny nivoahana anaran'olona hafa tampoka ny ampitson'ny fanaterana ireo alatsaka ho praiminisitra. Angamba ve noho izy mitondra anaram-boninahitra Jeneraly (avy ao amin'ny tafika) no tsy namoahana ny anarany teny amin'ny Paon d'or Ivato? Efa nanamarika ny tsy fankasitrahany idiran'ny avy ao amin'ny tafika ao amin'ny raharaha politika ny ao amin'ny mpanelanelana SADC. Kanjo rehefa nivoaka ny filazana ofisialy avy amin'ny Fiadidiana ny Repoblika dia nipoitra tampoka ny anarany. Na ho inona na ho inona filaza dia efa miteraka ahiahy iny.

Nandeha amin'izay ity tombatombana rehetra ity, tsy dia noraharahiako loatra satria misy ny gazety hanasongadina izay olona tiany asongadina hatrany (Mariho Pierrot Rajaonarivelo sy ny La Gazette de la Grande Ile). Ny andro ilazana ny fanendrena kosa no mahaliana amin'izay ny raharaha. Eo no ahitana ny miafina. Mandeha ny resaka ary nalaza izao hatezeran'ny Ambasadera frantsay tamin'ny mpitarika ny ankolafy Ravalomanana izao. Matoa moa nosoratana dia an-karihary (izany hoe be no nahita) ity zava-nitranga tao amin'ny Hotel Colbert tao Antaninarenina, Antananarivo, ity sy ny filazana fa tsy ho voatendry mihitsy ny avy any aminareo [Ankolafy Ravalomanana]. Hotsarovan'ny tantara io fitenenana io ary ambentin-kabary tao amin'ny Magro Behoririka Antananarivo ny ampitso Asabotsy.

Somary nahavariana moa fa raha tamin'ny 7 ora alina no nokasaina hanambarana ity voatendry ho praiminisitry ny marimaritra iraisana dia tsy tratra izany ora izany. Raha nisy ny fivoriana natrehiko dia nisy nandefa SMS ny namana iray, tokony ho tamin'ny 8 ora teo, nilaza fa Omer Beriziky no voatendry. Tsy mbola nahalala izahay teo akaiky teo hoe ofisialy ve izy io sa tsia? Adiny telo mialoha ny famoahana ny anarana izany dia efa nisy nanitrikitrika fa rangahy avy amin'ny Leader izay nisy namoaka fa lisitra faha-12 tamin'ny delegasiona notarihan'ny Andry Rajoelina azy tany Bruxelles ny jona 2009 no ho lany Praminisitra. Ny ambara ety ivelany mandritra izany fotoana izany dia mafana ny fifampiresahana eo amin'ny SADC sy Rajoelina ary miaro ny fiandrianam-pirenena Rajoelina. Izany hoe ny fahazoako azy eto dia efa tapaka ary tsy hiova amin'ny heviny intsony Rajoelina.

Nandeha ny siosio fa nanisika ny anaran'i Botozaza ny SADC, Rajoelina kosa nanitrikitrika ny Jeneraly Sylvain Rabotoarisoa, ilay kandidà nasisika. Mazava ny resaka, hoy aho. Mody nasisika ny dosien'ity jeneraly ity, izany hoe avy amin'ny tafika tsy ho eken'ny SADC dia mody miditra amin'ilay hafa tena kendrena hiditra eo (Omer Beriziky) sady tafiditra tamin'ny Lisitra avy amin'ny lazaina ho mpanohitra. Eto izany ilay malok'ila: izaho ary efa nandefitra tamin'izay tiako hotendrena! hoy angamba ny fitenenany koa aleo io no apetraka satria avy amin'ny mpanohitra ka tsy ho ekeny ve. Ny gazety Tia Tanindrazana izay voasompatra moa tamin'io fotoana io nanoratra fa UDR-C 100% ny eo amin'ny fahefana mpanatanteraka. Hoy fotsiny aho hoe tsara petrapetraka indray izany teti-panorona izany, indrindra moa ka tafapetraka soa aman-tsara ranamana io.


 jentilisa 01 novambra 2011 , amin'ny 19 ora sy sasany

Wikileaks miresaka Madagasikara I

2011-09-23 @ 21:58 in Politika

Fantatsika rehetra fa maromaro ihany ny antonta-taratasin'ny diplaomasia amerikana no nisy namoaka ho fanta-bahoaka. Mazava loatra fa mba misy miresaka an'i Madagasikara ihany koa amin'ireny. Na dia efa fotoana lasa aza ny zavatra ambarany dia mety ilaina ihany ny mahafantatra ireny rehefa mivoaka. Sa bedinareo aho? Raha mazoto aho dia mety hisy tohiny fa rehefa tsy mazoto na tsy manam-potoana na bedinareo moa dia atao akory e!   


Resadresaka nifanaovana tamin'ny Masoivoho Frantsay Ao Mozambika nandritra ny nampalaza ny fifanarahan'i Maputo I sy II.

 

Fantatsika fa aminy teny anglisy ny lahatsoratra fototra fa ezahina ihany ny handika azy ho teny malagasy araka ny fahazoako azy.

 
Telegrama nivoaka tany Maputo, Mozambika.

Andro 27 Aogositra 2009

Sokajy Tsiambaratelo


Famitinana: Resaka momba an'i Madagasikara tamin'ny 18 aogositra 2009 anelanelan'ny Maputo I sy Maputo II hisian'ny fandriampahalemana teto an-tanindrazana. Notsorin'ny Masoivoho Frantsay Christian Daziano fa tsy mino loatra ny hisian'ny filaminana eto Madagasikara avy amin'ny Maputo II ny tenany. Ny tena vaindrohan-draharahan'ny fitondrana frantsay dia ny hampitombina tsara ny faritra Atsimo andrefan'ny Oseana Indiana misy an'i Mayotte sy Reunion ary betsaka ihany ny Frantsay monina eto Madagasikara.


3.Ny frantsay no hiantoka ny fitaterana an-dRatsiraka sy ny delegasionany mandroso sy miverina any amin'io firenena io mandritra ny fihaonana. 


4.Chissano no nikiry mba ho ny mpitarika efatra sy ny mpanelanelana iraisam-pirenena ihany no hifampiresaka. Ny delegasiona ambiny kosa dia hijanona eny an-dalantsara. Ankasitrahan'ny Masoivoho Frantsay ny nataon'i Chissano hampifanaraka ny rehetra tsy hilaza na inona na inona amin'ny mpanao gazety, ary lazainy fa "mety" ny fomban'i Chissano ao anatin'ny fanelanelanana mampiteraka bebe kokoa ny fifampiresahana.


5.Nasongadin'ny Masoivoho ny mahazavadehibe ny "fanafoanana ny sazin-dRatsiraka" tsy nanaiky ny hidinika raha tsy esorina [foanana] avokoa ny fiampangana sy ny fanamelohana azy. Nitady manampahaizana manokana momba ny lalàna mihitsy ny Vondrona Afrikana hiezaka ny hanome amnisitia ho an-dRatsiraka nefa tsy ilazana ilay voambolana.


6.Naverin'ny Masoivoho frantsay ihany koa ny fanirian-dRavalomanana hiverina eto Madagasikara miaraka amin'ny tafiky ny SADC saingy nankasitrahan'i Daziano ny fahaizan'i Chissano naharesy lahatra fa tsy mety ny hiverenany any fa mety hampisy ady an-trano.


7.Nanaiky ny tsy hiverina eto an-toerana Ravalomanana mandra-pisian'ny filaminana tsara. iza no manapa-kevitra fa efa milamina ny firenena? Nolazainy fa tsy voafaritra tsara ny momba an'io. Izy no miteny fa Rajoelina no iray mahatapa-kevitra momba izany. Ny mpanelanelana iraisam-pirenena kosa mihevitra fa ry zareo no manapa-kevitra amin'izay fotoana iverenan-dRavalomanana. Nasongadin'ilay Ambasadera fa raha te-hofidiana Ravalomanana dia tsy maintsy mipetraka 12 volana mialoha ny fifidianana ahafahany mifaninana, izay heveriny fa sarotra ny hiverenan'ny filaminana ao anatin'izany fotoana izany raha mikasa ny hiverina eto Ravalomanana.


8.Nitantara ny hisian'ny fifanarahana eo amin'ny efatonta ny Ambasadera mba tsy hisy hirotsaka hofidiana ireo olona alamina ireo saingy niara-nitsipaka izany avokoa izy efa-tonta, io no anisan'ny vitsy ifanarahan-dry zareo nandritra ny fifampidinihana ka na dia nikiry ny hametraka izany aza ny mpanelanelana dia tsy nahovoka hany ka najanona ny tamin'iny.


9.Samy mihevitra Ravalomanana sy Rajoelina fa izy no mahavita kokoa mitondra ny firenena.


10.Nampidirin'i Daziano ny resaka foko ary noheveriny ho "Merina" Ratsiraka. I Zafy izay Tanindrana no heveriny ho mety indrindra mitarika ny fanitsiana ny Lalampanorenana satria io no hiaro ny zon'ny Tanindrana.


11. Matahotra ny idiran'ny tafika anatin'ny fifampiresahana i Daziano fandrao iny no vao maika mampihenjana ny raharaha...Heverin'ny Frantsay fa mitady hifanakaky loatra amin'Iran ny komoriana izay firenena tsy mitombina loatra nefa ny fiarovana ny Frantsay monina aty amin'ny fari-dranomasina Indiana no tena fenitry ny fitondrana frantsay.


12. Ny hahatsara indray ny toekarena no vaindohandraharahan'ny politika frantsay ka rehefa manapa-kevitra ny hanaisotra ny sazy amin'ny fitondrana Malagasy ny Vondrona Afrikana dia handray andraikitra ka hiverina hanampy indray.


13. Mitaraina amin'ny tsy fananan'ny mpanara-maso efitra manokana mandritra ny fifampiresahana i Daziano saingy efa nahazo iraka hanaraka akaiky ny fizotran'ny fifanarahana noho ny antony ara-paritra [COI].

 


Hevitry ny mpamaham-bolongana


Fomba fitateran'ny mpanome vaovao ny masoivoho amerikana no tateriny ka araka ny fomba fandiniko amin'izay voasoratra kosa no amoahako ny hevitra manaraka etoana, marihina fa araka ny laharana eo ambony ihany ny laharan'ny hevitro eto ambany:


7. Hevitra Frantsay ilay manisika fa Rajoelina no manapa-kevitra hamerina na tsia an-dRavalomanana eto an-tanindrazana izay heverina fa tsy hieritreritra ny hamerina azy velively.


8. Izaho dia anisan'ny nino hatrmin'nyvoalohany fa misy olona kendren'ny Frantsay ho lany eo ka tsy misy amin'izy efa-tonta ireo ny olona tiany ho lany. Faly ery ny mpanohana an'i Pierrot Rajaonarivelo ny mamerimberina io hevitra tsy tokony irotsahan'ny efatonta io, izany hoe ny tena marina dia ny tsy irotsahan-dRajoelina sy Ravalomanana izay ahiana handresy azy amin'ny fifidianana. 


9. Mahavariana ahy fa ny olona heverina ho tsy nandia fianarana ambony no manana hambom-po kokoa hitondra fa ilay nandia fianarana kosa [rafi-pampianarana frantsay indrindra indrindra] tsy tena mahasahy loatra manana izay fisaina "mahaleotena" izay. Anjaran'ny tsirairay no mieritreritra hoe nahoana isika no miazakazaka mampiditra ny zanatsika anaty rafi-pampianarana mahatonga ny zanatsika hiasa ho an'olona fa tsy "mahatsangy no ary" loatra hany ka rehefa tsy misy ny asa atolotra dia karazany mitomotoe-poana ilay olona?


10. Hita eto fa tena anaty lalao frantsay mihitsy ilay resaka foko na dia tsy misy izany loatra intsony aza any Frantsa araka ny fomba fihevitro. Io foko io no nolalaovina nandritra ny taonjato maro ary ny mampifandrafy ny merina amin'ny tsy merina izay voafoaka ho tanindrana no angadiny. 


11. Ezahin'ny Frantsay hatrany ny tsy idiran'ny tafika anaty fifanarahana, na dia efa nanoratra aza ny tena tamin'izany fotoana izany fa ilaina dia ilaina io. Anaty paika ireny mba hampaharitra ny itoeran'ny sasany eo amin'ny fitondrana. Hitantsika ankehitriny fa karazany mandidy fotsiny no ataon'ny tafika hoe mahazo miditra na tsia i ranona. 


12. Efa hatramin'izany fotoana izany no tsy mahandry ny hanampy ny FAT ny Frantsay saingy tsy afa-manoatra loatra noho ny sazy mipetraka. Fanampiana amin'ny alalan'ny vokovoko mena frantsay noho izany no tena nataony betsaka hanampiana ny teny ambany tanàna.


13. Miaro ny tombotsoa Frantsay ny Frantsay ka rariny ho azy izany. Saingy indraindray manindry ny hafa firenena indrindra fa ny nozanahiny teo aloha tsy hivoatra izany.
Hevitra sendra mandalo eo am-pamakiana ihany ireo fa ataoko fa manan-kevitra daholo isika rehetra ary afaka mandray anjara daholo.

 

CENI sy ny fikafikany

2011-08-16 @ 09:34 in Politika

Miarahaba ny rehetra indray rehefa tsy nanoratra ho anareo nandritra ny fotoana maharitraritra. Ny eritreritra no mandeha be fa ny tena no kamokamo, rehefa ny eritreritra iray anefa no tsy voasoratra dia toy ny hevitra iray very maina ihany koa izany. Izay sisa tadidy sisa no tsimponina ho anareo.


Tsy hiresaka momba an-dRavalomanana Marc sy ny SADC aho aloha, na dia ireo ihany indray aza no ambetin-tenin'ny gazety rehetra nivoaka teto Antananarivo androany 16 Aogositra 2011, ary tsorina fa vao maika mampalaza ilay rangahy nialokaloka atsy Afrika Atsimo sy ny fiandrasan'ny olona "sasany" azy higadona eto amin'ny firenena indray. Hiresaka andry iray eto amin'ny firenena heverina fa ho antoky ny demokrasia sy ny fifandimbiasam-pitondrana araka ny safidin'ny vahoaka kosa aho na dia mbola misy aza ny mandà ny olona mandrafitra io andry iray io. Ny CENI eto Madagasikara no ambarako etoana.


Tamin'ny herinandro lasa teo dia nisy ny filazana fa nisy nisompatra ny vohikalan'ny CENI eto Madagasikara ka nofafany tao ny antontan-kevitra fototra ahitana ny momba ny mpifidy eto Madagasikara. Efa mahavariana raha andro vitsivitsy monja taoriany nidirany an-tserasera dia voasompatra sahady io vohikala io. Misy fanamarihana vitsivitsy azoko ambara ihany momba azy io.


Voalohany, raha niditra tao ny tena nijery ny anarana sy ny biraom-pifidianana, fony mbola tsy nisy ilay lazaina fa fisomparana, dia misy ny faritra heverina ho mandeha soa aman-tsara nefa tsy namoaka na inona na inona. Lazaina ho azo itadiavana anarana ny faritra, tanàna ary fokontany nefa dia tsy mamoaka na inona na inona mihitsy ireo. Eo izany dia efa hita ny tsy fahatomombanana. Raha tsy mikitika ireo aho fa mameno ny momba ahy dia mivoaka soa amantsara ny toerana hifidianako izay manamarika fa nampiasaina tokoa ilay taratasy nisoratana anarana farany.


Faharoa, rehefa nampidirina indray ny anaran'ny vadiko dia lasa any amin'ny fokontany nipetrahany taloha indray no mbola isoratany anarana raha hifidy izy. Ny mahavariana dia izao: Fony niara-nifindra ka nikarakara ny taratasy fifidrana izahay dia izaho no nikarakara izany tao amin'ny fokontany. Efa nalaina taminay ny karatry ny mpifidy tany amin'ny fokontany nisy anay avy taloha.Rehefa tonga indray ny taratasy fanisana ahalalana izay efa ampy taona hifidy dia mbola izaho ihany no nameno io taratasy io. Rehefa nohamarinina indray anefa ny misy azy raha hifidy izy dia mbola ilay fokontany nisy azy taloha ihany no hoe isoratany. Tsy nampiasaina indray ve ilay taratasy fanisana farany? Eo no tena mahavariana!


Fahatelo, efa nivoaka indray ny filazana eto fa nisy nisompatra ny vohikala, Notadiavina avokoa indray ny momba ireo olona hafa rehetra te-hijery ny anarany dia tsy nisy nivoaka na tsy nisy na inona na inona nivoaka afa-tsy hoe tsy nisoratra anarana ianao (amin'ny teny frantsay). Niverenako nojerena indray ny anarako fa mbola nivoaka soa aman-tsara ihany ilay efa hitako taloha. Ny fahitako ny anarako dia marika fa tsy nisy izany voafafa manontolo izany ny mombamomba ny mpifidy ka niteraka ny ahiahiko hoe miala bala amin'ny tsy fahatomombanana ry zareo ao amin'ny CENI.


Fahaefatra farany, ny olana amiko tsy hoe voasoratra ao ny anarako dia mionona aho fa te-hanamarina aho hoe iza avy ny olona ao amin'ny trano ipetrahako ampy taona hifidy? Sao dia misy anaran'olona tsy fantatra ampidimpidirina ao nefa tsy ho hitako amin'ny fanamarihana sy fitadiavana ataoko izany. Raha tena te-hampihatra ny mangarahara ry zareo dia tokony ataony ihany koa izay ahafahana mijery ny iray fokontany mihitsy dia jeren'ny besinimaro ao hoe mihoatra ve ny mpifidy? sao mbola misy ny efa maty mbola misoratra anarana na ny efa nifindra monina (toy ny anaran'ny vadiko)? Raha mbola mifikitra hanatontosa fifidianana ao anatin'izay tsi-fahatomombanana izao dia efa karazana finiavana hangala-bato amiko ary mitady handany ny olona tiana apetraka hitondra na mety ho vitsy an'isa aza ny nifidy azy.


Jentilisa 16 aogositra 2011


 

Fanantenana lehibe!

2011-06-21 @ 15:55 in Politika

Nanoratsoratra ihany ny tena tamin'ny fanombohan'ity volana ity hoe ekeo izay lazainy. Efa natolotsika teo ampelantanan'ny SADC ny ho avy politikantsika Malagasy. Efa toy ny hanaiky mangingina any am-pony sy any an-tsainy tsirairay avy any ny mpanao politika avy amin'ny ankolafy sy tsy ankolafy rehetra. Heverina manko fa avy amin'izay fanekena izay rehetra mivoaka avy any no lalana mora sy haingana indrindra hivoahana amin'ny krizy sy ny tetezamita.

 

Samihafa tokoa anefa ny fomba fihevitr'olo-tsotra sy ny fomba fihevitra mpanao politika. Hay ry zalahy ireto mitady ny fandresena avy amin'izay lazain'ny SADC. Ny fandresena tadiaviny dia ny hahazo iray manontolo izay kendreny, ka anatin'izany ny eriteritra hanakana izay mpifaninana na mpifanandrina aminy rahatrizay tonga ny fifidianana, tsy ho afa-miditra ho amin'izany fifaninanana izany mihitsy. Endrika tahotra safidim-bahoaka sy tahotra fandrao ny mpifanandrina amin'ny tena no tian'ny olona kokoa. Koa raha mbola mikatso eo amin'izany kizo izany isika, aiza amin'izany ity fanantenana lehibe lazain'ity lohateny?

 

Fanantenana lehibe fa tambatambazana fatratra ny foloalindahy ankehitriny hisian'ny fitombenana ara-pitondrana, araka ny eritreritr'ireo mifehy ny fanjakana ankehitriny. Ary ny tena nivandravandra aza dia izato 9 miliara ariary nomen'ny tafika Frantsay ho an'ny tafika Malagasy hanaovana fiofanana isan-karazany, porofo fa matotra tanteraka ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin'ny Malagasy sy ny Frantsay. Fa inona hoy ianao no tsara kokoa, fifandraisana diplomatika sa fifandraisana ara-tafika? Fanantenana lehibe fa tsy ho fantatra sy tsy ho azo faritana mihitsy ny datim-pifidianana mety ho atao saingy hanao tokoa ve? Rehefa tsy misy datim-pifidianana voaomana dia mbola mitohy izany ny teteza-miitatra sy ny fitantanany ny firenena. Amiko manokana: eritreritra ny an'olona fa tsy ho araka ny eritreritra mihitsy ny ho fandehan-javatra. Fehiny : Toa finoana ihany koa izany iankinan'ny fanantenako izany!


Jentilisa, 21 jona 2011

 

Les communiqués et les opinions ( premières impressions)

2011-06-13 @ 22:19 in Politika

Je fais juste la collection des liens et vidéo pour vous ici :

Ilay Asabotsy ifankahitana

2011-06-10 @ 21:53 in Politika

Dia eo amin'ny fotoana iandrasana ny fanapahan-kevitra avy amin'ny SADC amin'izay isika rehetra. Eo am-pelantanan'ny vahiny ny ho avin'i Madagasikara ara-politika amin'ity andro Asabotsy 11 jona 2011 ity. Raha kepoka teo am-pihainoana ny fanambarana nivoaka avy amin'ny Parlemanta Eoropeana ny mpanohana ny FAT noho ny famelezana an-kitsirano ny Filohany sy ny mpanaraka azy dia nampahery tena avy eo. Nivoaka amin'izay ny fanambarana fa angady mondry tsy mahatapak'ahitra izany Antenimiera Eoropeana izany fa ny fitambaran'ny Filoham-pirenena Eoropeana ihany ihany no tena mikaonty. 

 


Nanambara ihany koa ny Masoivoho Frantsay, nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena Rosiana, tetsy Ivandry, fa ny fanapahan-kevitra avy amin'ny SADC ihany no tena misy heriny. Azo heverina ho karazany nikoropaka ihany ity ranamana ity. Samy miditra an-tsehatra amin'ny raharaha Madagasikara moa izany na ny Antenimiera Eoropeana na ny Ambasadera Frantsay, ary ny tsy azo adinoina dia ny SADC. Efa navoakako teto fa tsinjo nirona tsikelikely hanaiky ny tondrozotra "novolavolain'ny dokotera Simao" ity fikambanam-paritra ity ka karazana tsindry ihany ilay fanambarana avy amin'ny Parlemanta Eoropeana raha hahasahy hanaiky ny fitondran'ny mpanongam-panjakana sy ny fikarakarany fifidianana ihany ny fitambaran'ny Filoham-pirenena sy ny filoham-panjakana ao amin'ny SADC na tsia. 

 


Fanontaniana hafa mandritra izany ihany koa ny hoe hiasa mafy ve ny fampitam-baovao tahaka ny AFP, RFI, Reuters, AP? Hiasa ho amin'ny lainga sa hiasa manakory. Mila mitandrina hatrany amin'izay vaovao hipoitra rahampitso ny rehetra. Jerena tsara ny loharanom-baovao. Tadiavina ny antontan-taratasy loharano. Raha ny mety aza dia miandry ny andro alahady na alatsinainy mihitsy aza raha mbola tsy hita imaso ny fanambarana ofisialy. Manaraka izany dia tsara ihany koa raha asiana rano mangatsiaka eo am-piandrasana ny vaovao ary tsy hipetra-drery na hitoka-monina fandrao tsy misy mahita ny fahavoazana raha sanatria...

 



Jentilisa 10 janoary 23:55

 

Izay efa neken'ny SADC sy ny mbola niadian-kevitra

2011-06-09 @ 21:05 in Politika

Fampiomanana ho an'ny rehetra ihany no ataoko. Raha namaky ity hevitra iray ity aho dia mahatsinjotsinjo ny fanapahan-kevitra mety ho nivoaka raha tsy nisy ilay fihaonana tany Gaborone - Botswana. Dika nataona mpanohana ny fitondrana misy eto Madagasikara amin'izao fotoana izao izy ity:

 

Source: www.mydago.com

 

Voici la teneur de cette décision officielle de la SADC :« Le Sommet a :

(i) entériné :

(a) le rapport du Médiateur ;

(b) la Feuille de route et a insisté sur la nécessité pour tous les acteurs de respecter son contenu jusqu’à la tenue des élections ;

(ii) lancé un appel pressant pour que tous les acteurs soient inclus dans la mise en œuvre de la Feuille de route à Madagascar ;

(iii) exhorté les mouvances Ravalomanana, Ratsiraka et Zafy d’adhérer à la Feuille de route et aux Institutions de la Transition ;

(iv) indiqué son soutien à la tenue d’élections crédibles, transparentes, libres et justes à Madagascar sous la supervision de l’ONU et de la Communauté internationale et en étroite collaboration avec la SADC en vue de ramener le pays à la normalité constitutionnelle ;

(v) appelé la Communauté internationale à accorder au processus politique à Madagascar un soutien financier destiné à ramener le pays à la normalité constitutionnelle ;

(vi) exhorté M. Andry RAJOELINA d’instaurer des conditions propices au retour de MM. Marc Ravalomanana et Didier Ratsiraka à Madagascar ;

(vii) réaffirmé la nécessité d’un processus politique inclusif intégral en vue de trouver une solution durable aux problèmes auxquels Madagascar est confronté.

Le Sommet a :

(i) mandaté les Présidents de la SADC et de l’Organe de convoquer d’urgence, avec l’assistance du Secrétariat, une réunion de toutes les onze mouvances qui ont participé à l’élaboration de la Feuille de route afin de discuter, entre autres, de la voie à suivre pour assurer la tenue d’élections libres et justes ;

(ii) décidé que la réunion visée ci – dessus se tiendra au siège du Secrétariat de la SADC ;

(iii) décidé que la réunion verra la présence du Président de la SADC, du Président de l’Organe de coopération en matière de politique, défense et sécurité, du Médiateur de la SADC pour la question malgache et des onze mouvances qui ont participé à l’élaboration de la Feuille de route.

Le Sommet a salué son Excellence Joaquim Chissano, ancien Président du Mozambique et Médiateur de la SADC pour la question malgache, pour les efforts qu’il entreprend au nom de la SADC pour trouver une solution durable à la crise malgache ».

Ainsi, tous les Malgaches viennent d’être officiellement informés de la teneur exacte de la décision que le Sommet extraordinaire des Chefs d’Etat de la SADC a pris à Windhoek ce 20 Mai 2011 dernier.

 

Raha jerena ny avy amin'ny teny anglisy dia tahatahaka io ihany no voalaza nefa jereo ihany ahitanao ny fahasamihafany. Misy koa olona iray heverina ho nahazo ny lahatsoratra fototra nadika teny frantsay ka omena anao ny nosoratany izay ahitanao fa misy ny nesorin'ny mpamaky tao amin'ilay vohikala nolazaiko teo. Raha misy ny kamo hanindry ny ao anatiny dia averiko etoana ihany ilay izy:

Ci-joint le document de cadrage par la SADC des négociations à Gaborone (Botswana) :

Le Sommet a :

I -  Entériné :

a – le rapport du Médiateur ;

b – la Feuille de route et a insisté sur la nécessité pour tous les acteurs de respecter son contenu jusqu’à la tenue des élections ;

 

II -  Lancé un appel pressant pour que tous les acteurs soient inclus dans la mise en œuvre de la Feuille de route à Madagascar ;

III – Exhorté les mouvances Ravalomanana, Ratsiraka et Zafy d’adhérer à la Feuille de route et aux Institutions de la Transition qui sont encore à restructurer ;

IV – Indiqué son soutien à la tenue d’élections crédibles, transparentes, libres et justes à Madagascar sous la supervision de l’ONU et de la Communauté internationale et en étroite collaboration avec la SADC en vue de ramener le pays à la normalité constitutionnelle ;

V – Appelé la Communauté internationale à accorder au processus politique à Madagascar un soutien financier destiné à ramener le pays à la normalité constitutionnelle ;

VI – Exhorté M. Andry Rajoelina d’instaurer des conditions propices au retour de M. Marc Ravalomanana et Didier Ratsiraka à Madagascar ;

VII – Réaffirmé la nécessité d’un processus politique inclusif intégral en vue de trouver une solution durable aux problèmes auxquels Madagascar est confronté. 

 

Le Sommet a :

I – Mandaté les Présidents de la SADC et de l’Organe de convoquer d’urgence, avec l’assistance du Secrétariat, une réunion de toutes les onze mouvances qui ont participé à l’élaboration de la Feuille de route afin de discuter, entre autres, de la voie à suivre pour assurer la tenue d’élections libres et justes ;

II – Décidé que la réunion visée ci-dessus se tiendra au siège du Secrétariat de la SADC ;

III – Décidé que la réunion verra la présence du Président de la SADC, du Président de l’Organe de coopération en matière de politique, défense et sécurité, du Médiateur de la SADC pour la question malgache et des onze mouvances qui ont participé à l’élaboration de la Feuille de route.Le Sommet a salué son Excellence Joaquim Chissano, ancien Président du Mozambique et Médiateur de la SADC pour la question malgache, pour les efforts qu’il entreprend au nom de la SADC pour trouver une solution durable à la crise malgache.

Par Serge Zafimahova sur Facebook. 

 

Milaza fa toa efa nanaiky ny tondrozotra tokoa ny Vovonana nataon'ny SADC tamin'ny 20 mey lasa teo. Novalian'ny ankolafy Ravalomanana moa izy io ka azonao jerena eto ihany koa ny valinteny nataony. Fampiomanana io nataony io koa dia ampoizina tsy hisy loatra intsony ny fiovana amin'ny ankapobeny satria izay mitana ny hery ihany no mitana ny fahefana ary izay no vahaolana tsotra indrindra hitan'ny mpanelanelana. Izany hoe nomena andro fotsiny isika hahazaka tsara ilay fanapahan-kevitra tsy ho araka izay antenain'ny mpanohana ny ankolafy Ravalomanana.

Hevitro manokana: tsy ny fitadiavana ny Praiminisitra no tokony notakian'ny ankolafy Ravalomanana fa ny fodiany haingana dia haingana irery ihany, eto amin'ny efa voasoratra anefa dia ny sitrapon-dRajoelina irery ihany no hahavitana izany na tsia. Samia mieritreritra ny tsirairay!

Ekeo izay sitrapony sy fanapaha-keviny

2011-06-08 @ 22:16 in Politika

Mialoha ny resaka dia fankasitrahana ny fanarahanareo mandrakariva ity bolongana ity no ataoko solon'arahaba. Nihevitra aho fa olona iray no nilaza ny heviny tamin'ny lahatsoratra teo aloha kanjo rehefa nojereko ny rohy niaviany dia samihafa ihany ilay izy. Ankasitrahana indrindra ny famakianareo sy ny finoanareo na handinihanareo izay voasoratra na dia maro dia maro tokoa aza ny tsy mamoaka ny heviny. Tsara ihany ny manamarika fa tsy vondron'olona ny "Maharesaka VETO" hany ka tsy haharaka ny hanoratra isan'andro loatra intsony noho ny fahasahiranana sy ny asa aman-draharaha. Manoratra ihany anefa ny tena satria toy ny ra mikoriana io, ary indraindray aza tsy mahavita zavatra hafa raha tsy manoratra kely izay hevitro sy ny tsikaritro. Hiditra amin'ny votoatin-dresaka amin'izay ary isika. 


Ataoko fa samy variana isika ny amin'ny fahasahian'ny vondrona SADC mandany vola amin'ny raharahan'i Madagasikara. Tahaka izany ihany koa ny tena. Maro dia maro isika no mihevitra fa manipy vola amin'ny varavarankely ny SADC tamin'ny fivoriana heverina avy hatrany ho tsy mahomby. Betsaka isika no tsy nanantena na inona na inona loatra tamin'ny fivoriana natao tao Gaborone renivohitr'i Botswana ity. Fihetseham-po tahaka ny ahoana kosa moa no ao anatintsika rehefa nirava ilay fivoriana? Samy nisento ve fa marina ilay vinavina hoe tsy misy na inona na inona hivoaka avy ao? Inona tokoa moa no ho vita ao anatin'ny roa andro fotsiny raha ny mpanelanelana nanketo Madagasikara aza mila handany amam-bolana tsy mahavaha olana akory? Saingy izao: Inona tokoa no tena tanjon'ny SADC tamin'iny fivoriana iny? Hampanao sonia ve? sa handresy lahatra? Sa inona marina?

 


Isika rehetra dia vavolombelona avokoa fa misy ny milaza tsy ho any Gaborone afa-tsy hoe hanao sonia fotsiny ny fifanarahana efa vita teo aloha. Isika rehetra dia samy efa nahara-baovao fa misy ny mbola mitady ny hanohy adihevitra hisian'ny mangarahara kokoa amin'ny fifidianana ho avy izay tsy maintsy fiafaran'izao krizy iainana izao. Saingy mbola tsy fantatra aloha hoe fifidianana fahafiry vao hoeken'ny iraisam-pirenena karazan'ny lakile famaranana ny krizy iainana ankehitriny. Samy nosasana atidoha avy amin'ny hevitra sy ny tombatombana isan-karazany isika fa tsy misy mahalala kosa izay sain'ilay fikambanam-paritra tompon'ny fanasana. Ary moa ve tsy nifandresy lahatra aza isika hanaporofoana amin'izay miresaka sy mitafa amintsika fa tsy mahavaha olana ny SADC ka tokony ovaina fikambanam-paritra hafa ny mitantana indray ny fanelanelanana. Hitako tsipalotra eny ho eny hatrany manko ny fikirizana hampidirana ny OIF (mpiteny Frantsay) na ny COI (Oseana Indiana) ho mpanelanelana; raha ireo fikambanana ireo tokoa no nanelanelana dia efa ela no "nivaha ny krizy" ary efa nitondra niadana sy eken'ny Iraisampirenena ny nandromba-pahefana ankehitriny. 

 


Sarotra dia sarotra ny tranga eto Madagasikara satria tsy afa-mahavaha olana intsony isika samy Malagasy satria efa niasa ny fitaovam-piadiana nanonganam-panjakana ka tsy mpitsara tsy mitanila intsony ny Tafika noheverina ho tsindriletam- pahefana manda faran'ny Repoblika (sy atahoran'ny mpanao politika tsy hihoam-pefy). Na hiantso fifampidinihana samy Malagasy impiry eto aza isika ka tsy misy ny raiamandreny toavina sy ekenteny ary tsy vonona ny tsy hitongilana befahatany ny tafika amin'ny fanapahan-kevitra famahana olana dia hihodikodina fotsiny isika nefa dia tsy hisy fandrosoana na dia kely aza. Napetraka amin'ny vahiny ny fanelanelanana satria, voalohany izay no fombafomban'ny famahana olana amin'izao fotoana izao, tahaka ny hitantsika any Honduras. Faharoa, ireo no heverina ho tsy mitongilana befahantany sady mihaino tsy mahalala tsara ny zavamisy fa mandray kosa ny tatitra avy amin'ireo ankolafy tsirairay ka avy amin'ny tatitra no ahafahany manao tsoa-kevitra. Mazava loatra fa miankina tanteraka amin'ny fahaizana mitatitra sy mandresy lahatra ny fifampiresahina amin'ny mpanelanelana tsy voatery hahalala ny antsipirian'ny zavamisy eto Madagasikara. Koa aza atao mahagaga raha misy ireo ankolafy hodidinina manampahaizana manokana momba ny serasera sy ny lalàna.

 


Ankehitriny isika miandry ny fanapahan-kevitra avy amin'ny vahiny. Toy ny tsy manana fiandrianam-pirenena intsony fa izay sitrapony dia tokony hotanterahina. Safidintsika io na dia tsinahy aza ka tokony ekena hatrany na inona valiny na inona. Na mifanaraka amin'ny fanantenantsika na heverina ho manosihosy ny fironana misy antsika sy heverina ho tsy rariny aza dia tsara samy milaza mialoha ny hanaiky ny fanapahan-kevitra mivoaka avy any isika. Raha hoy ny filazana hoe mitondra Rajoelina ary tsy mody Ravalomanana dia atao ny fifidianana dia aleo ho izay fa tsy mila adihevitra intsony. Raha hoy ny fanambarana hoe miala Rajoelina ary mody Ravalomanana dia tokony ekena ihany koa satria izay no fanapahan-kevitra farany. Raha hoy ny filazana hoe mitondra Rajoelina dia mody Ravalomanana dia samy hanofahofa sainam-pirenena avokoa amin'ny fetim-pirenena ho avy. Raha toa indray mivoaka ny hoe miala Rajoelina dia tsy mody Ravalomanana dia tsy maninona fa izay no heverin'ny SADC fa tsy mandratra indrindra ny vahoaka Malagasy izay hisy ratra ihany. Koa izaho manokana dia ekeko avokoa izay valiny avy any na ho vy na ho vato na ho vary fa enga anie ho hain'ny SADC ny mampihatra izay fehikeviny ary hisy tokoa izany fehikevitra izany. Raha manankambara amin'izay fehikevitra mivoaka ny vahoaka izany hoe ny vondron'olona maro sahy mihetsika sy mahasahy mihantsy ny mpitandro ny filaminana dia resaka hafa izany saingy tsy mino loatra ny hisian'izany ny tenako. Hevitra ny ahy izay, mety ho be ny tsy mahazaka saingy izay no fitandroako ny fahalalahako miteny an-tserasera. Tsy manery anareo ihany koa aho hitovy hevitra amiko.

Jentilisa, 9 jona 2011 amin'ny 00:15 maraina.
  

¡Viva la resistencia o la lección de Honduras

2011-05-29 @ 22:16 in Politika

¡No! usted está en el blog Jentilisa: Maharesaka Veto. Tsy diso bolongana mihitsy ianao fa tena ato amin'ny Maharesaka VETO. Roa taona! roa taona ny vahoaka Hondiorana no nitolona hiverenan'ny filoha naongana tamin'ny jona 2009 ary tafaverina an-tanindrazana indray amin'izao fotoana izao. Vaovao toa tsy tiana hivoaka loatra saingy manana ny lanjany ny ho an'ny firenena nisiana fanonganam-panjakana toy ny teto Madagasikara. Hamoaka lahatsary ho anareo ny mpanoratra hahitanareo ny fitoviana sy ny tsy fitoviana teto Madagasikara sy tany Honduras.


Atomboka amin'ny fiverenany tany an-tanindrazana tamin'ny faran'ity herinandro ity izany andian-dahatsary atolotra anareo izany.

Marihana fa efa nisy ny fotoana niverenany an-tsokosoko tany an-tanindrazany saingy henjakenjana ny toe-draharaha tamin'izay fotoana izay.

Nisy ihany ireo tafahoana taminy tao amin'ny ambasadin'i Brezila

Fantsom-baovao iray milaza ny zavamisy tadiavina ampanginina

Ilay filoha tsy fidiny nilaza fa manao fampihorohoroana ny haino aman-jery roa.

Andian-tsaripika sy hiram-piaretana iray tany Honduras somary niverimberina

Hira iray hafa tamin'ny andro faha-77 nanaovana ny fanoherana ny fanonganam-panjakana

 


Les médias honduriens choisissent leur camp par france24

Misy sary tsy mety tafavoakako mihitsy eo fa tsindrio ny rohy voalohany fa mahaliana dia mahaliana.

Ny tsy nananan'ny tolona teto Madagasikara dia ny fanaovana rindran-kiram-panoherana tahaka izao nefa dia nisy kosa tany Honduras.

Ity ary ny tonon'ny hira fanevan'ny tolona tany Honduras

 

Fanamarihana: Tsy mahay teny epaniola na ny pitiny aza i Jentilisa fa ny google translate no mba ampiasainy sy izestiavany eo. Dia mirary soa ho an'ny reny rehetra nahatratra ny fetiny ihany koa ny mpanoratra!

Na SADC na inona isika ihany no tompon'ny vahaolana

2011-05-22 @ 22:29 in Politika

Mialoha ny ilazana izay tiana ampitaina dia tiako aloha ny mizara aminareo, any ampitan-dranomasina sy any amin'ny faritany tsy mahita na tsy mahara-baovao nefa afa-mijery aterineto, televiziona malagasy telo mety ahitanareo sombin'ny toe-draharaha misy eto an-tanindrazana sy ahafahanareo mampitaha izay tsy avoakan'ny haino aman-jery mahazatra nefa hitantsika aty amin'ny aterineto sy ny vaovao mety tsy resahina amin'ny aterineto nefa hitanareo ao amin'izy ireo. Ataoko fa tombony lehibe ho anareo te-hanaraka ny zava-misy eto Madagasikara ny hanarahanao azy ireo.

Ny roa voalohany araka ny fahalalako azy dia ny mpanjifa ao amin'ny moov.mg ihany no mahazo azy mivantana sy maimai-poana. Ny hafa kosa tsy mazava amiko loatra fa mila mifanoratra amin'ny tompon'io tranonkala io angamba sady misy sara aloa vao mahazo azy mivantana, raha tonga moa ianareo dia tafiditra avy hatrany dia arahaba soa arahaba tsara. Ny voalohany moa dia ny televizionam-panjakana araka ny mahazatra ihany: ny TVM. Na dia eo aza ny mety ho lesoka lehibe amin'ny fanasohasoana ny mpitondra dia ilaina ihany ny mahafantatra ny vaovao aely manerana an'i Madagasikara sy ny azo heverina ho fantatry ny rehetra eto Madagasikara ary azo refesina avy amin'izany ny vaovao omena ny vahoaka Malagasy.

Ny faharoa kosa izay sintonina avy ao amin'ny hihy Live ao amin'ny moov.mg ihany dia ny Matv izay televiziona tsy miankina sy manana fandaharam-baovao maro ihany koa. Saiky hita ao avokoa ny fanehoan-kevitry ny ankolafy politika te-hiresaka sy te-ho hitan'ny olona fa tsy voatery hoe ny ankolafy iray ihany no hibahan-toerana ao. Amin'ny ankapobeny dia eto Antananarivo sy amin'ny aterineto atoro anao io ihany no ahitana azy ka anjaranao ny manaraka raha tia hahalala vaovao misimisy eto Madagasikara ianao. Somary mahavariana ahy fotsiny raha tena mivantana ny Matv ao fa isak'izay mijery aho dia vaovao hatrany no hitako, nefa hisy tahaka izany indray moa ve raha izay tokoa no izy? Manana rohy hafa azo jerena ihany ny Matv ary ahitana hihy [onglet] isan-karazany ao aminy.  

Ny fahatelo izay atoro anao kosa dia tsy ao amin'io vohikala io no ijerena azy sady tonga dia tafiditra maimai-poana ianao: Tv Plus Madagascar izany. Aleo kosa aloha lazaina fa tsy mivantana kosa ny vaovao hitanao ao fa tratra aoriana kely saingy raha miandry fatratra izay mety hahaliana anao ianao dia ny fanarahanao ny kaonty twitter-ny ihany no tsotra indrindra. Ny tombony betsaka dia azonao jerena amin'ny fotoana rehetra ny vaovao sy ny fandaharana heverin'ity haino aman-jery ity ho mahaliana ny besinimaro. Azonao iverenana avokoa noho izany ny fandaharana rehetra naraikiny ho an'ny aterineto ary mety ho gaga ny olona eto an-tanindrazana fa tahaka ireny hoe eto ihany ianao na dia any ampitan-dranomasina lavitra any aza.

Izay no ela fa hiditra amin'izay tiako ambara momba ny toe-draharaham-pirenena amin'izay aho. Tsy hiresaka na hitabataba momba izay fanekena nataon'ny SADC ny tondrozotra Siamo na tsia intsony aho fa efa maro izay namoaka ny vaovao sy ny heviny izay. Raha nisy ny olona tafaresaka tamiko mialoha ny fivoriana manokana nataon'ny SADC dia nanambara mazava aho fa tsy afa-manapa-kevitra avy hatrany ny momba an'i Madagasikara io fikambanam-paritra io fa anjaran'ny eto an-toerana ihany ny mandroso hevitra amin'ny hitantanana an'i Madagasikara fa anjaran-dry zareo fotsiny ny mijery raha niarahan'ny daholobe ilay fanapahan-kevitra na maro ny vondrona mahasolo-tena nanapa-kevitra taminy na tondrozotran'olo-tokana na firehana tokana no natolotra. Raha ny zavamisy ankehitriny anefa dia tsy ho tanteraka na oviana na oviana izany karazana marimaritra iraisana izany raha ny mpanao politika avy amin'ny ankolafy rehetra no andrasana. 

Efa nohazavaiko tamin'ny fomba hafa ihany fa tsy tokony avela irery ho an'ny mpanao politika intsony ity raharaha ity fa lasa ny adi-seza hatrany no manjaka. Tsara mandray andraikitra avokoa ny rehetra fa raha mbola mialangalana isika dia hitarazoka io ka ho tafahitsoka tanteraka ny firenena... na voatery hanaiky ny tondrozotra mipetraka farany ilay fikambanana dia izay izany no izy. Manana tombony lehibe amin'io fotoana io izay efa nametraka fa hotontosaina mialoha ny faran'ity taona ity ny fifidianana antenimiera sy filoham-pirenena. Raha jerena amin'izao fotsiny dia ny fifidianana tokoa no marika maha-demokraty ny firenena iray na tsia saingy ny mangarahara ao anatiny no mametraka olana lehibe sy tsy maharisika loatra.

Noho izany: soso-kevitra ny ahy hoe tsara ny mitady vondron-kery eto an-toerana, tsy avy amin'ny mpanao politika, hanao vovonana na fivoriana itambaram-be hanolotra tondrozotra iray matanjaka sy maharesy lahatra ny fiaraha-monina iraisampirenena. Tondrozotra mametraka ny vahaolana ialana amin'ny krizy tokoa ary lalana mizotra mankamin'ny fifidianana madio sy mangarahara izay vavahady lehibe ivoahana amin'ny krizy. Ilaina ny rafitra manatontosa ny fampihavanam-pirenena izay iniana tsy lazaina intsony amin'izao fotoana izao ary vita izany vao tontosaina ny fifidianana. Rafitra tsy azo tsinontsinoavina ihany koa ny Vaomieram-pirenena momba ny fifidianana ka ao no iray amin'ny tokony hanana tetibola matanjaka indrindra. Aleo aloha faranana hatreo fa mety ho be ny hilaza fa revin-gadra ny an-tena nefa aleo nolazaina ihany na dia tsy mahafapo ahy izay manoratra azy ihany koa aza izay efa voasoratra fa mbola eo am-pierirteretana lalina.

Jentilisa, 23 mey 2011 amin'ny 00:30

 

Tolona mba hankaiza?

2011-05-18 @ 22:45 in Politika

alt

Tsotra ny resaka! Mila olona toa an'i Malcom X izao miaraka amin'ny fifandaminana matanjaka fa tsy tokony hanaiky vokisana rivotra fotsiny. Raha tsy izay tsy hisy dikany izay fidinana an-dalambe. Ny toy izany no nampahery vaika ny 2009 na dia mpifanohitra tamin'ny hevitro aza ry zareo. Averina eto ihany koa ny tsikaritra etsy sy eroa mety ho tsy hitanareo!

 

MALCOM X REFOULE A L’AÉROPORT FRANÇAIS 1965 par SOUMIS--INSOUMIS

Tsy mety tafa ilay sary fa tsindrio ny rohy voalohany...

alt

alt

 

 

Mbola hiresaka politika ihany ve?

2011-05-15 @ 23:45 in Politika

Raha nisy ny olona nilaza azy ho tsy leo politika dia tsy manaiky lembenana ny aty ary azo heverina ho karazany nahavery ny maro tamin'ny mpamakiko fahiny aza izany nironako tamin'ny politika izany. Ankehitriny asa raha mbola hanana fahazotoana ho amin'izany aho na tsia. Tsia, tsy mety leo politika aho fa tsy te-hiresaka izany an-tserasera intsony. Kamo aho ny hanohy hanoratra momba izany hatrany. Izay angamba no tsy nanoratako fotoana lavalava izay ankoatra ny fahasahiranana ahy manokana. 


Nosoratako tamin'ny lahatsoratra teo aloha fa misy ny zavatra saiky havoakako dia niova lohahevitra vetivety aho. Manahy ankehitriny fa mety tsy ho tafaverina hanoratra izany intsony ny tena. Nahoana? Herinandro vitsivitsy lasa izay dia nisy olona fanta-daza niantso ny tena mba hanaitra ny mpamaham-bolongana malagasy hanana anjara biriky amin'ny famahana ny olana mangeja ny firenena ankehitriny. Nantsoina ny mpamaham-bolongana satria manana tambajotra matanjaka afaka manaparitaka ny vaovao ao anatin'ny fotoana fohy. Tsy avela hogejain'ny mpanao politika avy amin'ny ankolafy rehetra misy intsony ny fiainam-pirenena fa mba manana ny lanjany ihany koa ny firaisa-monim-pirenena. Nampitaiko tamin'ny namana rehetra izany filazana izany ka indroa aho no namonjy ny fivoriana fanomanana. Tsy afaka intsony ny andro manaraka noho ny antony manokana.


Niezaka ny nandresy lahatra ny hafa rehetra tany ambadimbadika tany ny tena, fa nihatakataka avokoa ny rehetra. Na dia niantso hatrany aza ny tao amin'ny komity mpanomana ilay fivoriambe hamoahan'ny firaisa-monim-pirenena ny fivondronany tsy anavahana fironana ary na namerimberina ny antso hatrany tamin'ny hafa aza aho dia antso an'efitra avokoa izany. Niantso olona manokana aza aho hisolo tena ahy amin'ny fotoana rehetra tsy ahafahako saingy herim-po very maina izany. Mbola variana amin'ny TEDxTNR koa angaha, sady iny tsy miresaka politika loatra dia aleo tsy midikiditra amin'ny resaka fiainam-pirenena.


Ankehitriny, izaho manokana dia tena menatra tokoa. Nandraraka ilo mby an-doha manko, nomena avara-patana kanefa tsy nahay nandray ny voninahitra natolotra ny tena sy ny tontolom-bolongana. Nantsoina, fa nandà. Tsy hitako loatra izay itabatabana politika amin'ny sehatra toy itony raha antsoina mba ho "mpitsara" no mandositra. Tokony ho tonga saina ihany ny hafa raha misy mpamaham-bolongana politika sady mpanao gazety miharihary fironana no manao fampitandremana fandrao tratran'ny "manipulation" ny bilaogera ary faly ery rehefa mahita mpamaham-bolongana manoratra fa tsy te-hiditra "resaka politika". Isika toa mba manan-kevitra ery rehefa manoratra saingy rehefa tonga ny tokoa, mbola miafina hatrany. Eny mety hoe sao fandrika tokoa angaha ka aleo tsy mipoitra hatrany saingy tsy maintsy hotsarain'ny tantara avokoa isika rehetra. 


Mbola hanana fahazotoana hiresaka politika ve aho? tsy haiko intsony! averiko indray fa tsy leo aho raha resaka politika fa lasa kamo aho ankehitriny raha mbola hilazalaza izay hevitro amin'izao. Dia nanjary nipololotra ho azy ilay tononkalo nanana ny lazany nosoratan'i Rado manao hoe Boboka aho ry Tanindrazako. Aleo aho angamba hiala sasatra amin'izay raha resaka politika satria tsy mahatarika olona handray andraikitra eo anivon'ny fiainam-pirenena akory :)


Jentilisa 16 mey 2011 amin'ny 01:45

Ps: raha ilay resaka moov madagascar sy ny bilaogera dia azonao jerena ato ny tohiny.

VIP: Mbola lesona ho antsika ihany koa i Cote d'Ivoire

2011-04-14 @ 10:00 in Politika

Ny VIP moa dia Vaovao Iraisam-Pirenena no fanafohezana azy fa tsy izay mety ho eritreretinao  hoe Very Important Person raha ato. Ny VIP no mifamaly amin'ny VETO izay Vaovao Eto an-TOerana ny fanalavana azy ho an'izay taty aoriandriana kokoa vao namaky ity bolongana ity.

Efa hatramin'ny ela ihany aho no tsy dia mankasitraka loatra ny idiran'ny tafika vahiny eto amin'ny firenena raha nanantena mafy dia mafy ny tafiky ny SADC ny mpanohana an-dRavalomanana hatramin'ny 2009 no mankaty. Sarotra ho an'ny tafika SADC ihany koa anefa no hiditra amin'izany fanafihana izany fa miasa dia miasa tokoa ny sampam-pitsikilovana Frantsay ka narahin-dry zareo maso fatratra izay mety ho fihetsiky ny tafika manokana an'ity fikambanana iraisam-pirenena aty atsimon'i Afrika ity. Naharesy lahatra ahy tanteraka ny toe-java-nitranga tany Cote d'Ivoire faramparany teo.

Nisy fifidianana natao tany Cote d'Ivoire tamin'ny faramparan'ny taona 2010 teo. Nisy ny toe-javatra hafahafa izay tsy nisy mpilaza loatra satria mety hanimba ny teti-panorona nandritra izany fotoam-pifidianana izany. Nisy fotoana manko raha nandrasana ny voka-pifidianana dia tsy hita ny filohan'ny CENI na ny vaomiera manokana momba ny fifidianana. Avy eo dia nanao fanambarana tampoka nilaza isam-bato ka nanondro avy hatrany an'i Alassane Ouattara ho filoha, na dia tsy andraikiny aza ny manondro izay filoha lany izay fa miandry ny cour Constitutionnel izay mitovy amin'ny HCC aty amintsika. Nihazakazaka avy hatrany ny Frantsay nilaza fa i Alassane Ouattara no filoha eken'ny fiaraha-monina iraisam-pirenena. Nanaraka izany hadalana izany ny Amerikana.

Nisy manampahaizana momba ny lalàna tao amin'io firenena io nilaza fa fandikan-dalàna ny fanendren'ny CENI izay ho filoha saingy nodiana fanina hatrany izany fanazavana izany. Anjaran'ny CC kosa ny manaiky na mandà ilay vokatra avy amin'ny CENI arakaraky ny fitarainana azy ka nilazan'ny CC an'i Laurent Gbagbo ho nandresy tamin'ny fifidianana satria nisy ny halabato tany amin'ny faritra sasany ka namonoana ny vato tamin'ireny faritra nihoampampana ireny ny isan'ny mpifidy. Efa nahery dia nahery anefa ny haino amanjery frantsay izay mampiely araka izay tratra fa lany araka ny fomba demokratika sady eken'ny iraisam-pirenena i ADO. Resaka gidragidra amin'izay no tohin'ny raharaha.

Ny azo marihana dia ny fandraisana anjara mavitrika nataon'ny tafika frantsay tamin'ny fanafihana ny trano fonenana sy ny lapam-panjakana itoeran'ny filoha tao Cote d'Ivoire. Tafika vahiny manafika lapam-panjakana moa fa tsy toy ny fanafihana ny mariky ny firenena izany? Mampahatsiahy avy hatrany ny nitifiran'ny tafika frantsay an'i Manjakamiadana tamin'ny 30 septambra 1895 ka nahatonga ny eritreritra hoe dia tsy niova fanao mihitsy izany Frantsay izany. Ny nahasamihafa azy, tsy nanangana saina fotsy i Laurent Gbagbo fa naleony nosamborin'ny tafika Frantsay entiny hanehoana amin'izao tontolo izao fa ny Frantsay no manao ilay fanonganam-panjakana. Na dia noezahina nafenina aza fa ny tafika Frantsay no nisambotra an'i LG dia nipoitra vetivety ihany ny marina noho ny fisian'ireo haino aman-jery iraisam-pirenena tsy miankina amin'ny tombontsoan'ny fitondrana Frantsay. Nanara-dia tsy fidiny irety farany avy eo nilaza fa ny tafika frantsay no nisambotra ka nanolotra azy ho an'ny milisy an'i ADO mody nolazaina ho tafika repoblikana aza satria manko notohanan'ny tafika frantsay tamin'ny fitaovam-piadiana izy ireo. Ankehitriny moa dia ireo milisy ireo indray no "tafika ara-dakàna" taorian'ny fanonganam-panjakana nataon'ny tafika Frantsay.

Mitodi-doha eto an-tanindrazana indray ny tenako taorian'izay fanazavana izay. Moa ve tsy mampihetsika ny hambom-po sy ny fitiavan-tanindrazana ny fidiran'ny tafika vahiny toy izany? Moa ve tsy fanadisoan-kevitra teo amin'ny mpanohana an-dRavalomanana ny fanantenana hidiran'ny tafiky ny SADC eto an-toerana? Lasa manome rariny ireo mpifanandrina ara-politika taminao raha niditra teto tokoa ny tafika vahiny, sady mora ny manomboka ady fa sarotra kosa ny mamarana izany.

Koa raha tsy misy ny vahaolana hafa avy eto an-toerana hanoherana ny ataon'ny milaza tena ho fitondrana eto Madagasikara dia tsy misy afa-tsy ny fitakiana an-dRavalomanana hirotsaka hofidiana ihany no azo atao ary mikiry amin'izany amin'ny fomba rehetra. Fa raha manantontosa fifidianana manakatsakana ny hafa tsy hirotsaka ny eo amin'izay milaza tena ho fitondrana dia samia mieritreritra ny tsirairay amin'izay azo atao eo noho eo fa tsy ny mijery na mipetra-potsiny, afa-tsy hoe manaiky resy angaha ianao!

Jentilisa, 14 avrily 2011 amin'ny 12:00

 

Gaddafi: lesona ho any hafa ve?

2011-03-13 @ 20:13 in Politika

Mbola ratsy dia ratsy ny seraseranay mampiasa ny moov adsl amin'ny fotoana anoratana fa sambasamba raha toa mahatafavoaka ity lahatsoratra ity. Mba mijery ny vaovao iraisampirenena ihany ny tena indrindra moa fa misy ny lahatsoratra avadika ho teny malagasy ho azon'olona maromaro kokoa. Mitodika any Libya ny tena ka variana. Nidaraboka ny tany Tonizia sy ny tany Ejipta. Noheverina hahatontosa ny tolony ihany koa ny mpanohitra tany Libya saingy toa nahazo vahana tampoka ny mpitondra rehefa niditra tamin'ny "hadalana" bebe kokoa. Tsy niraharaha izay mpanohitra any izy fa tonga dia norarafany tsy nananany antra mihitsy. Nodarohany baomba, ary notifiriny avy tey an-habakabaka izay nanohitra azy.

 


Etsy ankilany, nanao fahadisoana ihany koa ny mpanohitra tao Libya na dia nampihatra ny habibiana aza ny mpitondra tao. Fahadisoana fantatra, nanagadra diplomaty anglisy ny SAS niaraka taminy ny mpanohitra manana karazana foibe ao Benghazi (24ora) ho "famaizana" sy ho "fampitandremana" ho an'ny Tandrefana fa tsy azon'ny Tandrefana idirana ny raharaha tokatranon'ny Arabo. Tonga dia nampihemotra ny Tandrefana tanteraka ny nisian'ity trangan-javatra ity na dia tsy nabaribary loatra aza. Tonga amin'ilay karazana fiteny hoe ataovy ao ary ny anareo. (namana no nampita io raharaha diplomaty nogadraina io). Fahadisoana faharoa etsy ankilany nisy indray ny nihazakazaka ho any amin'ny Filoha Frantsay Sarkozy ireo avy amin'ny mpanohitra ireo ihany. Ireo naman'ny Frantsay rehetra anefa tamin'ity raharahan'ny lohataona Arabo ity dia resy avokoa dia i Ben Ali sy Mubarak izany. 

 


Fahadisoana hafa ihany koa, maika loatra niditra tamin'ny resaka an-kitifitifitra amin'ny fitaovam-piadiana ny mpanohitra ka lasa mpioko indray. Sahirana tanteraka anefa ny firenenkafa raha vao niditra amin'izay fifanandrinana amin'ny fitaovam-piadiana izay ny roa tonta. Karazana fanafana farany ny nataon'i Gaddafi raha nizara ny fitaovam-piadiana tamin'ny mpanohana azy izy ary hita mihitsy tamin'ny fahitalavitra vahiny moa izany toe-javatra izany. Tsy noraharahiany mihitsy ny aorian'ity krizy ao amin'ny firenena misy azy ity rehefa mbola tafapetraka teo amin'ny toerana misy azy ihany izy ary mirona mankany moa ny toe-draharaha amin'izao fotoana izao.

 


Dia lasa ny saina, raha manao zavatra tsimifaditrovana kokoa indray izany ny mpitondra vao mety ho tafajanona amin'ny toerany raha nahomby ity paika nataon'i Gaddafi ity ka mety ho lesona ho an'ny mpitondra Afrikana hafa rehetra ve? Tena tsy nitsitsy mihitsy ranamana ka na miaramila tsy mety manoa baiko aza dia notaperiny fotsiny izao ny ainy. Hanao ahoana ny ho avin'ny resaka tolona politika hafa rehetra aorian'ireo toe-draharaha rehetra mitranga any amin'ny faritra Arabo ireo? Isika eto Madagasikara dia mahita fa tsy ampinga sy kibay no entin'ny "mpitandro ny filaminana" hamoretana ny "mpanao fihetsiketsehana" fa basy avy hatrany mihitsy no arangaranga izay tokony ho fady tena FADY raha hifanehatra amin'ny sivily. Moa ve tsy hirona mankany ny ataon'ny mpifehy ny fahefana eto Madagasikara raha maherihery vaika ny tolona hanoherana azy? efa hitantsika rahateo ny paika fisamborany ny mpanohitra amin'ireo karazana "sarimihetsika" atao etsy sy eroa.

 

 


Jentilisa 13 mars 2011 amin'ny 22:10


Rango-pohy teny Ivato inona no tena marina?

2011-03-10 @ 01:47 in Politika

Somary nahavaka ny sain'ny besinimaro ny nandre fa tonga teny amin'ny Foibem-pivoriana Iraisam-pirenena na Centre de Conférence International ny Ankolafy Ravalomanana. Nitehaka sy nihoby ireo tao amin'ity foibe ity. Inona ny zava-misy marina? Ango-baovao ihany no atolotro eto fa mahazo manohy koa ianareo,

 

http://storify.com/jentilisa/soniaasimaoaivato

Jereo amin'io rohy farany io ny angom-baovao rehetra azoko

Fikasana hamono hoe?

2011-03-03 @ 23:37 in Politika

Araka ny fitadidiako dia fanindroany izay no nandrenesako fa nisy nikasa hamono ny FAT Andry Rajoelina. Ny itovizan'ny fikasana dia samy amin'ny andro maizina avokoa. Dia manandrana aho raha mety eto ity rohy nataoko ity.

  • #Madagascar:today.30pm swamp, a bomb attack targeted the presidential car.The tire was ripped but Andry Rajoelina is safe.
  • alt
    alt
    madagate.com
    Madagascar information presse en ligne
  • Haingana dia haingana ny vohikalan'ny mpanohana ny fitondrana avon'ny tetezamita FAT namoaka ny vaovao izay mahavariana ihany satria atsasak'adiny nialoha ny famoaham-baovaon'ny ankamaroan'ny haino aman-jery eto Antananarivo no nisian'ity lazaina ho fikasana hamono ity.
  • alt
    alt
    madagate.com
  • Tsy ela ihany koa anefa ny valin-kafatra avy amin'ny vohikalan'ny mpanohitra ny fahefana avon'ny tetezamita fa nametraka ity toe-javatra ity ho sarimihetsika avy hatrany.
  • Nahoana tokoa moa no tsy hieritreritra azy ity ho fihetsiketsehana ivelany raha fantatra fa baomba nataon-tanana tsotra, hono, no namelezana azy? tariby lava no napetraka tamin'ny lalany? tsy nisy ny naratra ary tsy nisy ny maty? ary moa va mba nisy fahasimbana ihany koa ny arabe nipoahan'izany "baomba artizanaly" izany?
  • alt
    alt
    google.com
    Madagascar: bombe artisanale sur le trajet de Rajoelina, pas de victime ANTANANARIVO — Une bombe artisanale a explosé jeudi soir à Antananarivo, sur le trajet du cortège d?Andry Rajoelina, président de la transition à Madagascar, sans faire ni victime ni dégât, selon des responsables de la sécurité."Des gens malintentionnés ont utilisé, paraît-il, une bombe artisanale télécommandée à partir d?un fil (long) de 200 m", a déclaré à l?AFP Lucien André Rakotoarimasy, ministre de Forces Armées, présent sur les lieux.L?explosion s?est produite vers 19h30 (16h30 GMT) sur une voie rapide à Antananarivo, au passage du cortège présidentiel, comprenant plusieurs véhicules, ne...
  • #Madagascar:till now, security forces forbid any traffic on Masay swamp.Specialists from secret services and Army are investigating the area
  • Nakatona nandritra ny fotoana maharitra mihitsy moa ny lalana nandritra izany fotoana izany!
  • alt
  • Dia ahoana ihany koa hoy ny eritreritro ao anatin'izany toe-javatra rehetra izany? Mazava loatra fa manao azy ity ho kisangisangy fotsiny ihany aho
  • Inona indray ary ity malok'ila kononkonon'ny sasany ity? Mivandravandra loatra ilay sarimihetsika hoe fikasana hamono "filoha"#madagascar
  • Fa atao inona fotsiny ireo miaramila efa miatrana manerana ny lalana ora efatra na dimy mialoha ny fandalovan'i Andry #Rajoelina ireny?
  • Rehefa te-hisambotra ny mpitarika mpanohitra dia mody mamorona izao atsanga tsy aman'orana izao!
  • #opinion It's just a fake attack to catch into jail some political figures of #madagascar . #HAT please stop the cinema.
  • Rehefa maromaro ny maratra sy ny maty vao tsy malok'ila intsony fa izao aloha dia fikendrena hisakanana ny hetsiky ny mpanohitra #madagascar
  • Nanoratra tokoa ny namana iray fa tahaka ny kisendrasendra fotsiny ihany ve ny nahatongavan'ity toe-javatra ity?
  • #Madagascar:today's attack occured after that former president Zafy Albert did announce his intention to set up a parallel governement
  • Nilaza ny hanangana governemanta vaovao tokoa manko ny Pr Zafy Albert sy ny mpiara-dia aminy ary notronin'ny solontenan'ny ankolafy telo raha ikabary teny Ivandry "Villa Elisabeth" ny tenany ny alarobia 2 marsa teo.
  • RT : qui veut parier le temps qu'il découvre le coupable #Rajoelina #madagascar
  • Efa ora sahady sisa angamba dia ho maromaro ny voasambotra
  • Fanafihana sady tsy nisy maty no tsy nisy naratra . izay olona voasambotra rehefa avy eo no tena kendrena #madagascar
  • Dia samy miandry ny tohiny isika izany!

 

Mety tokoa ka

Raha tsy tafa ilay izy dia tsindrio ny rohy azafady. Jereo kely ry Hery fa misy tsy mety ilay embed code ato azafady a!

Sary vitsy 17 novambra 2010 tolakandro

2010-11-17 @ 15:44 in Politika

 

Dia nizotra teny ho eny aho nahare fa nisy savorovoro tany Analakely tany. Hitako tokoa fa noesorin'ny miaramila ny mpivarotra rehetra nanamorona ny tobin-dry zareo. Niatrana ny mpiambina, izany hoe mitam-basy vonona hitifitra raha misy ny trangan-javatra, dimy ny miaramila nitam-basy teo ivelan'ny vavahady. Noho ny resaka lalàna dia tsy nalaiko sary ireo satria tsy azo atao ny maka sary ny toby.

 

 

Ny teo Ambohijatovo kosa no nalaiko sary. Ny teo amin'ny RNM sy ny TVM kosa tsy tratrako fa nandeha haingana loatra fiara. Ny sary tao amin'ny biraom-pifidianana dia tao Analakely LJJR tamin'ny telo ora sy sasany.

 

zandary sy polisy no hita teny Ambohijatovo 

Jentilisa 17 novambra 2010 amin'ny 17:50 

Sary androany 17 novambra atoandro

2010-11-17 @ 11:52 in Politika

Dia aseho anareo izany zavamisy aty an-tanàna izany. Tsy nivezivezy loatra aho fa izay akaiky ihany no nandehanako. Na izany aza dia hita ihany ny fahasamihafana. Ny tanànan'ny maro olona heverina ho sahirana no mazoto kokoa.
 
 Maro sa vitsy ny mpandray anjara?
 
 
Fa tena misy kosa aloha ny mifidy e!
 
Na dia hoe mipetrapetraka aza ny mpikambana biraom-pifidianana
 
Mpilahatra ary ireo sa birao? mafana loatra kosa ny andro ka!
 
Isan'ny mpilahatra hifidy hitako be indrindra teto 67ha avaratra atsinanana 
 
 
Tsy misy valopy intsony moa amin'ity fifidianana iray ity ary dia tsy miafina intsony ny safidin'ny olona raha ny fijeriko azy satria misokatra ho azy ao anaty vata ny taratasim-pifidianana sasany. Hita taratra sahady ny vato maro misafidy. Mampisavovona taratasy ao anaty vata ilay taratasy aforitra dia tahaka ireny hoe maro ireny ny mpifidy.
 
 
Efa misavovona kosa aloha ny vato ato e!
 
Mijoro eo fotsiny aho dia mahatsinjo izay nosafidian'ny olona teo an!
 
Eto no tena hahitana taratra ny ho fandresen'ny ENY! 

Mety mbola hisy ny sary hafa rehefa hariva ny andro, na alina... arakaraky ny zavamisy ihany. Ny sary rehetra dia an'i Jentilisa madiodio!


Jentilisa 17 novambra 2010 amin'ny 13:52

Sary androany 17 novambra atoandro

2010-11-17 @ 11:52 in Politika

Dia aseho anareo izany zavamisy aty an-tanàna izany. Tsy nivezivezy loatra aho fa izay akaiky ihany no nandehanako. Na izany aza dia hita ihany ny fahasamihafana. Ny tanànan'ny maro olona heverina ho sahirana no mazoto kokoa.
 
 Maro sa vitsy ny mpandray anjara?
 
 
Fa tena misy kosa aloha ny mifidy e!
 
Na dia hoe mipetrapetraka aza ny mpikambana biraom-pifidianana
 
Mpilahatra ary ireo sa birao? mafana loatra kosa ny andro ka!
 
Isan'ny mpilahatra hifidy hitako be indrindra teto 67ha avaratra atsinanana 
 
 
Tsy misy valopy intsony moa amin'ity fifidianana iray ity ary dia tsy miafina intsony ny safidin'ny olona raha ny fijeriko azy satria misokatra ho azy ao anaty vata ny taratasim-pifidianana sasany. Hita taratra sahady ny vato maro misafidy. Mampisavovona taratasy ao anaty vata ilay taratasy aforitra dia tahaka ireny hoe maro ireny ny mpifidy.
 
 
Efa misavovona kosa aloha ny vato ato e!
 
Mijoro eo fotsiny aho dia mahatsinjo izay nosafidian'ny olona teo an!
 
Eto no tena hahitana taratra ny ho fandresen'ny ENY! 

Mety mbola hisy ny sary hafa rehefa hariva ny andro, na alina... arakaraky ny zavamisy ihany. Ny sary rehetra dia an'i Jentilisa madiodio!


Jentilisa 17 novambra 2010 amin'ny 13:52

Faradoboky ny inona [an-tsary]?

2010-11-15 @ 13:33 in Politika

Mba afaka nijery ny zavamisy indray ny tena ny alahady teo ka nanararaotra ny naka sary ny fampielezan-kevitra nataon'ny komity mpanohana ny ENY teny amin'ny kianjan'Alarobia. Faradoboka io fotoana alahady io mandra-piandry ny alarobia 17 novambra 2010 kasain'ny mifehy ny fahefana amin'izao fotoana hitsapana ny hevi-bahoaka izay lazaiko ho sadasada manan-tsoratra ihany. Azo itarafana mialoha ny taham-pandraisana anjara sy ny isambato mety ho azon'ny ENY eto Antananarivo sy ny manodidina manko ny any na dia mety hamitaka ihany aza izay fijery izay.

Ny fotoana niaingana tao an-trano dia eo amin'ilay heverina ho fotoana mampafana indrindra ny fanentanana sy ny horakoraka teny an-kianja. Somary gaga ihany anefa raha vao teo am-piandrasana fiara fitaterana fa dia efa misy sahady ireo miakanjo ny ENY no tafody eny amin'ny faritra misy azy. Nanahy avy hatrany aho hoe rava sahady angaha ny any nefa vao amin'ny telo ora folakandro izao? Nandeha ihany anefa noho ny fitiavana hahalala sy hampitana aminareo ny hamaroan'ny olona tonga teny.

Teny an-dalana dia nahitana mandrakariva tapikan'olona mizotra mody tsimoramora miaraka amin'ny akanjo misy soratra ENY. Toa olona diso fanantenana sa mba reraka kosa satria efa hatry ny maraina kosa ny fanentanana. Teny Alarobia anefa dia hita ho betsaka tokoa ny olona mifanaretsaka eo ivelan'ny vavahady atsimo noho ny hamaroan'ny mpivarotra hani-masaka. Misy fiara am-polony an'olo-tsotra ihany koa mitandahatra, tsy afaka hilaza velively aloha aho hoe an-jatony ny fiara miantsona heverina fa an'ireo mpanotrona ity faradoboka ataon'ny ENY eto Antananarivo ity. Hay betsaka ihany ny olona hoy aho anankampo. Sady marina no diso anefa io fijeriko ny hamaroan'olona io.

Marina fa betsaka ny olona tonga teny an-kianjan'Alarobia io alahady 14 novambra 2010 io saingy raha izaho ny mpitarika sy mpanentana dia tsy araka ny nantenaiko ilay fahatongavan'ny mpanotrona satria latsaka ambany noho izay mety hanaitaitra ny hafa. Ireo tonga teny koa tahaka ny mangina hafahafa izany ankoatra ireo eny amin'ny lohalaharana akaikin'ny sehatra angaha izay mitora-jofo hatrany. Tsy afaka ny hihosina eny anefa ny tena fa matim-bovoka eny eo.

Nony teny na dia ambiansy aza no tadiavin'ny mpijery dia tsy diso anjara ihany koa ny gidragidra. Nisy nifanaritaka hafahafa izany matetika ao afovoan'ny mpijery ao. Ny olona koa moa taitaim-baombina ka raha vao misy ny tahaka izany dia efa fikoropahana izaitsizy no hitanao eny. Tsy hay noho izany izay tena anton'ny savoritaka fa dia variana ny olona mijery sy mitazan-davitra.

Angamba noho ny hamaroan'ny akanjo tsy voazara teny an-kianja fa misy ny sekolim-pinoana lehibe eto Madagasikara sy malaza ho akaikin'ny FAT no nizarana tee-shirt ENY avokoa ny mpianatra tao aminy. Mety mba ho solon'ny kit scolaire kosa angamba izany paika izany sady fanentanana ny ray aman-dreny rahateo hifidy handrotsaka ny ENY. Misy manko ny hafatra nifanomezana avy amin'ny mpitondra fivavahana tao aminy izay manentana ny olona handray anjara amin'ny fifidianana ary ny fanomezana alalana ny mpanao propagandy ENY hizara tee-shirt any an-tsekoly heverina ho tsy mbola sahaza ny politika noho ny taona tsy ampy dia toy ny marika hoe isika fiangonana dia tokony hiara-mientana hanohana ny ENY. Impiry anefa ry zareo ihany no mpilaza fa tsy tokony afangaro velively ny fivavahana (sekolim-pinoana eto) sy ny politika.

Dia tonga ihany koa ny kara-pifidiananay. Ny tsikaritray avy hatrany ary hita amin'ny boriborintany samihafa eto Antananarivo dia ny eo amin'ny daty sy toerana nahaterahana mitovy avokoa. "vers*Antsirabe" ohatra ny ahy satria teraka tany Antsirabe ny tena. Ny an'ny teraka teto Antananarivo dia "vers*Antananarivo" no hita eo, tsy ahitana ny daty nahaterahanao. Mazava loatra fa mampiteraka ahiahy izany toe-javatra izany mba hahafahan'ny tsy ampy taona mandrotsa-bato angamba fa dia maro no tratran'io tsy ilazako hoe tratra avokoa ny kara-pifidianan'ny olona.

Ny hitako hatreto no mandrisika ahy tsy hifidy amin'ny alarobia ho avy izao satria "vitsy" ireo nazoto teny an-kianja ny mpanohana ny ENY. Ny mpanohana ny TSIA moa karazan'ny tsy hita tabilao mihitsy hatreto ka tsy hita koa hoe aiza ry zareo ny alaina sary. Ny tena mampisalasala ny olona manko dia ny eo amin'ny fanaovana ny TSIA sy ny tsy handrotsa-bato. Tsy manakana ny safidin'ny tsirairay aho na hanao ENY izy na hanao TSIA na tsy handrotsa-bato fa izay amiko ny fahalalahana na dia enjehina aza ny mpampandany ny tsy hifidy ho mariky ny tsy fankasitrahana ny ataon'ireo mifehy ny fitondrana ankehitriny eto Madagasikara.

Jentilisa 15 novambra 2010 amin'ny 15:32

 

Volana iankinan'ny ho avin'ny firenena (2)?

2010-11-08 @ 11:16 in Politika

Dia hivadika amin'ny resaka somary mahazatra ahy amin'izao fotoana izao indray ny tena. Tsy maninona na be aza no tsy mbola nahita ny fizarana voalohany fa mahita foana avy eo hoe efa nisy ny fizarana voalohany tamin'ity lahatsoratra tohizana isak'izay mahatsiaro ity. Manitsaka ny volana novambra isika amin'izao fotoana izao, volana mety hanana ny akony lehibe eo amin'ny tantaran'i Madagasikara noho ny fisian'ilay referendum izay kasaina hotontosaina ny 17 novambra 2010 ho avy izao.


Hetsiky ny Mpitondra fivavahana no voalohany

Vao nigadona ny volana dia ny famoriam-bahoakan'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana no nitari-dalana. Niverina ho hitam-bahoaka indray ireo mpitarika tao rehefa nangingina noho ny raharaha 20 mey 2010. Nandrasana izay fahazotoan'ny olona hanatrika izany fotoana teny Antsahamanitra izany ary dia hita fa fahombiazana ny fotoana na dia fantatra tsara aza ny mety hiavian'ny orana ary ankalamanjana ny nanatontosana azy, tahaka ny tsy nisy ilay fomba fiteny hoe fotoam-pahavaratra ka ny maraina ihany. Misongadina hatrany moa fa fotoam-pivavahana no natao ary nisy mihitsy aza ny fandohalehana izay fomba tsy mahazatra loatra ny protestanta reforme (fa fanaon'ny hafa sy ny loterana kosa rehefa mandray ny fanasan'ny Tompo); manoratra izany aho satria fantatsika mazava tsara fa ny mpitandrina ao amin'ny reforme no maro amin'ireo mpitarika ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana. Tsy nisy ny artista (evanjelika) nanafana ny fotoana hisintonana olon-kafa hijery fampisehoana ohatra fa dia karazana litorjia ranoiray no natao. Nanamaro an'isa ny mpanatrika teny Antsahamanitra ny avy amin'ny mpanohana ny ankolafy telo.


Nifanindran-dalana tamin'izany koa dia nisy vondrona mpitondra fivavahana fantatra endrika amin'ny fitarihana fotoam-pivavahana miara-dalana amin'ny mpandrombam-pahefana ankehitriny nikarakara fotoana nifanindry tamin'io fotoana notontosaina teo Antsahamanitra io ka ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena kosa no nanaovana izany. Mpitondra fivavahana avy amin'ny anaram-piangonana isan-karazany no tao ary artista evanjelika maro dia maro sy malaza no nasaina hanafana ny fotoana, izay nambara ho fampisehoana evanjelika no hibahan-toerana. Heverina noho izany fa ireo mpihira ireo no nentina nanintonana ny olona ankoatra ny maha-toerana mitafo tsy matahotra izay orana avy io Lapa io. Na izany aza dia tsy tena be loatra araka ny nantenain'ny mpikarakara ny olona nankao, raha ny fomba fakan'ny fahitalavi-panjakana ny sary nampita mivantana ny fotoana tao, no itarafana ny zavanisy tao. Azo lazaina noho izany fa ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana no nitoko teto.


Kianja Malacam

Ny alarobia 3 novambra indray dia ny kianja filalaovana rugby teo Antanimena, dia ny kianja Malacam izany, no nifamotoan'ny Ankolafy telo tamin'ny mpanohana azy. Maro ihany ny olona namaly ny fanasana amin'ny maha-andavanandro ny fotoana ary hita fa tsy tratry ny velam-pandrika rehateo ny mpitarika. Inona moa ilay velam-pandrika? Izay efa nambaran'ny mpitarika ny Ankolafy Ravalomanana tao amin'ny radio an-tserasera iray ihany: nokendrena ny hisian'ny fifamaliana sy ny fifandirana teo amin'ny mpitolona sy ny mpankafy baolina lavalava. Izay mahatsiaro no mahalala fa ny faran'ny volana oktobra no nilazana ny hanekena hanaovana fihaonana politika tao amin'ity kianja ity. Toa nisy mihitsy aza ny fampirisihan'ny gazety sasany hampiasain'ny Ankolafy telo ny kianja avy hatrany ny faran'ny herinandro saingy tsy voafandrika tamin'izany ny ankolafy telo. Ny andro nandrisihana manko dia mbola nisy lalao baolina lavalava tao amin'io kianja io ka raha niditra tao ny ankolafy telo dia toy ny migafy ny revin'ireo mpankafy baolina lavalava ireo. Ny alarobia fantatra fa tsy misy lalao tao vao nampiasaina ny kianja. Tsy hatao mahagaga intsony noho izany raha holavina indray ny fangatahana hampiasana ny kianja amin'ity herinandro ity.


Mbola nanamarika ity fotoana ity hatrany ny tsy fisiana artista malaza nokaramaina hanafana ny lanonana fa dia kabary politika no somary nibahan-toerana. Tsy mety kosa ny fahadisoam-potoana izay aman'ora mihitsy fa tsy mba minitra intsony. Tokony ho ny ora lazaina ihany no ezahina hanombohana ny fotoana fa tsy fanajana ny mpanatrika mihitsy ilay fahatarana izay mety hiteraka fahasorenana. Nisongadina nandritra ny fanomanana ity fotoana ity ny nampiasana ny haino aman-jery isan-karazany hiantsoana ny vahoaka ka mety ho antony iray naharesy lahatra ny olona hihevitra fa ho matotra amin'izay ny Hetsika ka nahatongavany teny an-toerana. Na tsy feno aza ny kianja dia azo lazaina ho fahombiazana mitohy ho an'ny Ankolafy telo io fotoana teo amin'ny kianja Malacam io. Tsy maintsy manao ny valim-panafihana amin'izany ny eo amin'ny fitondrana hitazonany ny mpankasitraka azy ho ao am-balany mandrakariva.


Olom-Pirenena Mendrika na OPM

Taorian'ireo fotoana roa teto Antananarivo ireo dia nivoaka tamin'ny fahitalavitra maro teto Antananarivo ny fandaharana manokana karazandrazan'ny karakarain'ny Prezidansa "hanomezana valisoa" Olom-Pirenena Mendrika iray. Fitsidihana nataon'i Andry Rajoelina ilay mpangataka iray tsy takon'ny maso tamin'ny androny teny Antaninarenina tany amin'ny misy azy, nahazo trano vaovao sy hiampy fanaka aoriana kely, no naseho ny rehetra tamin'izany. Mazava loatra fa raha miteny hoe trano efa vita sy azo onenana dia efa nisy fotoana mialoha nanorenana io trano io fa eo kosa ny fotoana namborahana azy. Na inona na inona fanadrohadroana sy fanakianana ary fanasoketana avy amin'ny mpiserasera hafa mikasika ny fihetsika tamin'io nanomezana trano olona iray "tsy nandoa hetra hatrizay niainany manaporofo ny maha-olom-pirenena mendrika azy" io dia nampihetsi-po ny sarangan'olona sasany ny toy ireny. Tsy azo tsinontsinoavina velively izany ary hita tokoa ny maha-spesialita resaka dokambarotra an-dranamana. Tsara ny valim-panafihana teto satria hahatsiaro hatrany ny sarangan'olona "madinika" fa tena manampy azy sy mahatsapa ny filany ilay rangahy io ka mendrika ny hotohanana.


Fampanantenana vaovao indray

Niverimberina tamin'ny fahitalavitra isan-karazany koa fa hifampitafa amin'ny vahoakan'Antananarivo ny filohan'ny Fahefana Avon'ny Tetezamita FAT ny Asabotsy 6 novambra 2010 izay hotontosaina hatrany ao amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena, toerana ankafizin-dry zalahy tokoa ankoatra ny Toeram-pivoriana Iraisam-pirenena etsy Ivato seranana. Nankalazaina fatratra io fotoana io tahaka ny hanakonana ilay lahatsary niely vetivety teto amin'ny aterineto nahavoarohirohy mpitondra fanjakana ambony eto Madagasikara. Tena anaty adin-tserasera tanteraka indray amin'izao fotoana izao ny eto Madagasikara. Raha vao izay no resahina dia hanana ny tombon-dalana hatrany ny eo amin'ny fitondrana sady efa mahay azy rahateo. Dia ireny aloha izy ireny, fampanantenana maro no nivoaka tahaka ny fananganana orinasa goavana indrindra famokarana simenitra eto amin'ny Oseana Indiana, ny fananganana trano mora vidy, ny fampihenana ny vidin-tsiramamy...
 
 
 
Ny zavatra iray nanaitra ny maso tao anatin'izany dia ny fitovian'ny lokon'afisy fanentanana ny ENY sy fanentanana ny olona hifidy: samy manga tanora ny loko aoriana. Io toe-javatra io no manamarika fa tsy fifaninanana eo amin'ny ENY sy ny TSIA no hatao amin'io 17 novambra 2010 fa fifaninanana eo amin'ny hifidy sy ny tsy hifidy ka ny mifidy dia karazana fanekena ny fitondran'i Andry Rajoelina ary ny tsy mifidy kosa fandavana izany fitondrana izany. Mahazo mandresy lahatra ary mananjò amin'izany ny tsirairay fa tsikaritry ny tena ihany izany. Hita rahateo ihany koa fa maro tamin'ny mpiaradia amin'ny eo amin'ny fitondrana ankehitriny no ao anatin'ny komity mpanohana ny TSIA izay mampitakemotra ny olona tsy hazoto handatsa-bato velively izany.

Araka ny hita amin'ny gaety moa dia nirotsaka mivantana ho amin'ny fanentanana ny olona hifidy ny filohan'ny FAT ary mitety faritra amin'izay ho amin'izany fitsapa-kevi-bahoaka izany. Mazava rahateo fa dia tokony ho kihondalana eo amin'ny tantaran'i Madagasikara io amin'ny 17 novambra io ho an'Antananarivo sy ny manodidina amin'ny fahamaroana na fahavitsian'ny mpandatsa-bato amin'io fotoana io. Ninia nanoratra hoe Antananarivo sy ny manodidina aho satria io no akaiky vilany sy fetra itarafana ny safidy tokoa fa ny tany lavitra andriana tsy hay intsony ny faneriterena sy ny fingampingana mahazo ny olona any. Na izany na tsy izany dia malemy dia malemy tokoa ny tetiky ny ankolafy telo amin'izao fotoana izao ankoatra ny fanentanana ny olona tsy hifidy. Inona ny paika hafa sa aleo milamina tahaka izay ihany? Ankehitriny aloha dia tsinjo fa ho tontosa io fotoana io fa ny taha-pahavitrihana sisa no baraingo na dia fantapantatra ihany aza matoa miditra antsehatra mihitsy ny laharana voalohany eo amin'ny fitondrana.



Jentilisa 8 novambra 2010, amin'ny 13:15



Ny hitako tamin'ny 18/10/10 teto Antananarivo

2010-10-19 @ 00:02 in Politika

Nisy zava-nitranga kely indray teto Antananarivo ny alatsinainy. Efa fanentanana makotroka teo amin'ny kianjan'ny Finoana Behoririka moa ny Asabotsy teo ny hankanesana eny amin'ny Fitsarana ity alatsinainy ity. Araka ny tatitra dia tonga maro tokoa ny olona teny Anosy (tsy miresaka toeran-kafa aloha aho eto). Tsy nanatrika izay tany anefa ny tena noho ny asa (tsy miankina amin'ny fanjakana) izay atao. Rehefa nirava fotsiny ny atoandro no nahita tamin'ny aterineto fa eny Ambohijatovo ny mpanao fihetsiketsehana amin'io fotoana io. Dia niolomay ny tena hijery ny zava-misy.

 
Tsy sahy niditra anaty kianja ny maro 
 
Tonga teny moa dia nahita ny olona maro nanao tazan-davitra manodidina ny tsangambato 1947 no voamariko voalohany fa tsy sahy niditra tao amin'ny kianjan'Ambohijatovo. Ampahan'olona no nahasahy niditra tao an-jaridaina fa maro kokoa ireo manahy sao misy fisamborana angaha satria efa nisy mpitandro ny filaminana teo anoloan'ny zaridaina tamin'izaho tonga. Ny vaovao an-tsary manko no nahitako fa toa ny mpanao fihetsiketsehana no tonga mialoha vao tonga ireto mpitandro ny filaminana ireto. Tsy nieritreritra hijanona lavitra aho fa tonga dia niditra tsy nisalasala. Efa nahita ireo andia-miaramila niditra tao anaty kianja ka nanaraka ny sisiny atsimo iny aho nefa tsy nahiako izany satria tsy hita ho mampatahotra velively ireto miaramila hitako ireto.


Ny resaka henoko no toa nahafantarako vinany fa ampahan'ireo teny Anosy ihany no nilahatra nankaty Ambohijatovo fa misy maromaro no nionona ihany tamin'ny fihetsehana teny Anosy. Ny tsy hahatontosa ny fotoam-pitsarana manko no nokendrena ka rehefa vita iny dia ampy azy ireo izany. Ireto andiany hitako ireto kosa ireo nitaky ny hankanesana ato amin'ity toerana ity. Eo sahady izany dia efa nisy fizaran-kevitra teo amin'ny mpiara-dia. Samy manana ny maharesy lahatra azy moa. Dia somary taraikiraiky angaha ny fanombohana teo Ambohijatovo satria nahita hatramin'ny voalohan'ny kabary ny tena.
 
 
Nanomboka izany Ramatoa Ravololomanana ary nanohy sy namarana azy avy hatrany Andriamatoa Fetison Rakoto Andrianirina. Tokony ho Andriamatoa Zafy Albert no namarana ny fotoana saingy tsy nandray fitenenana moa izy. Ny ambangovangon'ny kabary moa dia filazana fa mba tsy ekena intsony ny fanonganam-panjakana ary hiomana amin'ny fandraisana ny fahatongavan'ny filoha teo aloha mirahalahy mianaka amin'izay izao. Teo koa no nilazana fa mirava avy eo fa mamonjy ny fotoana rahampitso eo an-toerana eo ihany. Tsy dia naheno io loatra ny mpanatrika fa nanaraka ilay atao hoe toromarika hoe eny an-kianja no fotoana. Raha tena mahay mikajikajy anefa ny mpitari-tolona dia azo heverina tsara ny manomboka ny tontolo andro amin'ny rodobe mankeny amin'ny toby Ankadilalana indray. Faritra mena anefa io ka saropady ihany saingy miankina amin'ny fahasahian'ny olona ihany izany. 


Azo lazaina fa tsy tena nitovy isa tamin'ny tolona voalohany natao tamin'ny 21 mars 2009 raha ny hamaroan'ny olona nanatrika teto fa ny fahasahiana aloha no tena nananany. Ny somary mahavariana ihany koa dia somary niova izany amin'ny ankapobeny ireo olona mpiaradia amin'ny movansa telo teto raha ampitahaina ny tamin'ny herintaona. Asa izaho angamba no tsy dia mpanaraka loatra intsony noho ny asa aman-draharaha fa hita mihitsy ho sarangan'olona antonony somary sahirana ireto tafaraka amiko ireto nefa tsy menatra ny amin'izany. Maromaro kokoa ihany koa ireo zokiolona efa karazan'ny mandrafitra ny mpitolona eny amin'ny kianjan'ny Finoana izay mitolona ho an'ny zanany sy ny zafikeliny amin'ny ankapobeny. 
 
 
Diabe efa tsy nisy Zafy sy Fetison intsony 

Vita ny kabary dia nidina indray ny daholobe nanatrika teo (anjatony kosa aloha no nahasahy niditra ny zaridaina). Rehefa teo amin'ny vavahady ambany dia niditra ny fiara ireo mpitarika tonga teny an-toerana. Tsy nizotra ho any Analakely anefa ny lalan'ny mpitarika fa nirifatra ho any Ambanidia any. Tsy tena kôpy tsara ny olona teo satria tsy nahazo tsara ny kabary hoe mirava. Sodokan'ny hoe eny an-kianja notenenin'ny mpanentana iray angamba. Dia namakivaky an'Analakely ny olona avy eo. Ny somary nahavaka ahy teo dia somary nitari-dalana hafahafa izay ny kamiao mpitondra ireo mpitandro ny filaminana saingy nandeha mafimafy kokoa avy eo. Toy ny nahazo hery tsy natahotra ireo mpitandro ny filaminana ireo ny olona sady efa tao anatin'ny kabary rahateo moa ny tsy hifampiahantsy aminy. Nizotra tamim-pilaminana ihany ilay filaharana tsy nahazoana alalana izay nahavaka ny teny an-dalana rehetra ny nahita azy. Voamarika fa sady tsy nihoby ny olona loatra ny mpandalo no tsy nanaraby loatra ihany koa fa nangina tanteraka avokoa ny olona nandalovana. Tsy nisy tomika ny dia mandra-pahatonga teo Soarano akaiky indrindra ny Building Ramaroson.


Marihana aloha fa nandritra ny fiaingana avy teo amin'ny tsangambato Ambohijatovo ka tamin'ny dia rehetra dia nanaraka hatrany ny mpanao fihetsiketsehana avy eo aoriana ny kamiao sy ny fiara 4X4 an'ny mpitandro ny filaminana. Io tranga io angamba no tena nahavaka ny mpandalo... sady toy ny miandry izay mety ho fihoaram-pefy manko ireo mpitandro ny filaminana ireo no toy ny miambina ihany koa ny mpanao fihetsikesehana fandrao misy mamely azy ireo. Marihana ihany koa fa nisy andian'olona nandrava ny vavahady ambony mifanolotra amin'ny kianja fivoriana teny Ambohijatovo nialoha ny nahatongavan'ireo mpanao fihetsiketsehana. Io aloha ny famotehana voalohany tsikaritra efa ilazan'ireo tsy tia hoe "mpanimba zavatra" ny mpiara-dia. Teneniko eto izany fandrao lazaina fa manafin-javatra ny tena.
 
 
Sakoroka madinidinika 

Rehefa tonga teo amin'ny Seduction ilay lazaiko hoe akainy ny Building Ramaroson amin'izay no nisy fifampihantsiana voalohany avy tamin'ny mpanohana ny TGV, raha ny marina aloha dia ilay mpivarotra amoron-dalana izany. Somary lavitra ny tena ka tsy nahita tsara hoe iza no nanomboka fa somary nisy tambabe ihany tao ho ao nefa fantatra ihany teo amin'io toerana io hoe iza no maromaro kokoa. Ny nanaitra manko dia nisy ny toraka sezabory nalefa tany amin'ny mpanao fihetsiketsehana ary dia nisy namerina toraka ihany io sezabory io avy eo. Ny varotra poketra nataon'ilay olona avy teo no nisy nanakorontana saingy tafaverina ihany tamin'ny ankapobeny ireo entana namidiny.
 
 
Ny fihantsiana faharoa indray dia ny toraka rano avy tany amin'ny rihana fahatelo na fahaefatra tao amin'ny tsenan-tshinoa iray (mitovitovy amin'ny Avance Center ireny no tiako lazaina sady eo akaikiny raha tsy hoe izy mihitsy angaha fa tsy tsaroako tsara) ka somary nampisendaotra ny mpilahatra ihany koa. Niravona ihany ny raharaha teo. Efa any Behoririka izany io toerana io dia nizara roa ny dian'ny mpilahatra raha ny fijery azy: nisy ny toy ny namonjy fodiana nankany Ambatomitsangana sy Andravoahangy, fa ny maro kokoa dia toy ny mankany Antanimena, any amin'ny faritra misy ny magro.


Tamin'ny mpivarotra lamba confection indray no nisian'ny karazana sakoroka madinika fahatelo hitako. Miainga amin'ny fihantsiana hatrany moa ilay izy ka rotika nisy nanaparitaka teo koa ny tsenany. Somary bebe tovolahy mpanararaotra ihany koa moa tamin'ireo nandrava, saingy tsy neken'ny olona kosa ny fitadiavana handroba (toa izany manko no kendren'ireto zatovolahy ireto) fa tsy maintsy averina amin'ny tompony ny entana. Toa nanatitra tsy fidiny ireo hitan'ny olona naka akanjo teo. Ireo telo ireo amin'ny ankapobeny ny karazana sakoroka teny an-dalana fa tsy nety nivadika ho ady saritaka mihitsy ny zavamisy. Hatrany amin'ny fandalovana iny tsena iny dia nitazona ny fahanginany avokoa ny mpivarotra nefa tsy nangorona ny entany loatra ireo amoron-dalana. Anjaran'ny tsirairay fotsiny no maminavina hoe inona no dikan'ilay fanginana?

 
Fahadisoan'ny mpanao fihetsiketsehana 
 
Teo ampiazoana ny Magro Behoririka amin'izay no nisy fihoaram-pefy nataon'ny mpitarika sasany. Nampisara-kevitra ny olona indray manko ny fitarihana hankany 67ha sy ny fijanonana teo amin'ny Magro. Nisy mpitarika fantatry ny olona no nandrisika ny handehanana amin'izany 67ha. Nampanontany tena ahy sy ireo izay tafaresaka tamiko ny anton'ny hankanesana amin'izany toerana izany. Ny tena nahavariana moa dia ny nahazoany olona hanaraka azy amin'izany fikasana izany. Fahadisoana io tamiko ary tsy tokony ho natao mihitsy satria lasa fanararaotana ny fahatsoran'ny mpitandro ny filaminana izany nanaraka fotsiny hatramin'izay tamin'ity andro ity. Voatery noho izany izy ireo nanaparitaka ny olona nitady handeha lavitra ireto tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso. Nanakaiky saiky hijanona teny manodidina an'i Magro ireto andia-mpitandro ny filaminana ireto saingy tonga ny andiany hafa izay mety ho nisolo azy ireo. Niova izany eto ireo mpitandro ny filaminana sy ny lehibeny tokony ho tamin'ny iray ora sy fahatelony teo ho eo.


Niditra tamin'ny fahadisoana manaraka indray ny tanora sasantsasany tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana izay efa nijanona teo amin'ny Magro. Nanao barazy vato teo anoloan'ny vavahady manko ireto tanora vitsivitsy ireto hibahan-dalana. Tsy maintsy niditra an-tsehatra indray ireo mpitandro filaminana nisolo ny teo aloha ka nanala ny olona rehetra tao amin'ny Magro tamin'ny alalan'ny baomba mandatsa-dranomaso. Tsy hitako mivantana intsony moa ity fehezan-kevitra farany tantaraiko ity fa ny hitako tamin'ny fahitalavitra no tantaraiko. Teo no nisiana zokiolona sempotra satria nipetraka tao anatin'ny faritra mihitsy ireo zokiolona fa tsy nanao ditra tahaka iretsy tanora vitsivitsy iretsy (tsy ampy folo aza no tena marina). Izay no hita sy azo tantaraina amin'ny fomab fitantarako azy satria tsy terena kosa aho hitovy hevitra amin'ny mpanao fihetsiketsehana hafa na dia anisany aza tamin'ity indray mitoraka ity. Rehefa diso dia diso. Mbola lesoka eo amin'ny fitolomana hatramin'izao ny tsy fahaiza-mandamina raha ny hita aloha; ary mbola misy dia misy ny heverina ho mpitarika miezaka hatrany mamotika ny tolona.


Jentilisa 19 oktobra 2010, amin'ny 02:02


Koseho izay tsy izy!

2010-10-04 @ 21:16 in Politika

Sambany, hono, eto Madagasikara no hampiasana vatom-pifidianana tokana. Raha amin'ny fifidianana sahanin'ny fanjakana tokoa dia mety ho marina izany fa raha resaka sendikaly na fifidianana delege any ampiasana kosa dia tsy marina velively izany fomba filaza izany. Fa raha dradraina ho fiovana lehibe izany zavatra izany toa tsy mba misy kosa ny fampianarana ny olona amin'ny fomba fanao amin'ny endri-batom-pifidianana tahaka itony? Tsy mbola nahita mihitsy aho aloha fa dokambarotra hampifidy ny eny kosa no nahitana fa asiana X izay safidiana. Olona mahiratra manaraka tsara no hahatsipalotra izany, ary amin'ny toerana takatr'ireny fahitalavitra ireny. Izany hoe tsy misy ny fanazavana ny sarambambem-bahoaka raha hanao ENY ny mpifidy iray ary tahaka ny ahoana kosa ny ataony amin'ny vatom-pifidianana raha hanao TSIA kosa izy. Ny mivandravandra aloha dia fampanaovana ny ENY irery ihany no atao. Misy olana goavana dia goavana iniana takonana ao ambadik'izany hampandresena amin'ny fomba rehetra ny ENY izany. Nahoana?
 
 

Raha amin'ny lojika mahazatra ny andavanandron'olona, indrindra fa ny eto amin'ny tanàna aloha, dia ny lahatsoratra na sary na voambolana tsy tiana no asiana izany X izany. Amin'ity fifidianana kasain'ny sasany hotontosaina amin'ny 17 novambra 2010 ity kosa dia izay safidiana no asiana X , izany hoe mifanohitra amin'ny mahazatra ny olona no atao ary ho hafahafa tanteraka aminy raha ny tiana indray no asiana io X io. Mazava loatra fa raha misy ny faritra atahorana hanao TSIA nefa tsy maharaka tsara ny tokony ataony amin'ny fanehoana izany safidiny izany fa mora dia mora ny mampandresy lahatra azy ireo fa "Koseho izay tsy izy". Rehefa kosehina anefa dia mahazatra ny olona ny manao azy hiendrika X. Izany dia ho an'ny olona tsy matahotra ny handray penina fa raiso kosa ny toeran'ny olona tsy mahay manoratra sy mamaky teny ary fadiranovana handray izany penina izany. Inona no hataony? Hanaonao foana sa tonga dia tsy handray anjara indrindra fa izy ihany no ho ao amin'ny efitra fitokanana vetivety. Averiko indray fa tsy misy mihitsy hatretony fanazavazavana amin'ny olona raha hanao TSIA izy ary ahoana kosa raha hanao ENY. Mbola tsy ho amin'izao fotoana izao izany biletà onìka izany.
 
 

Na dia noho ireo voalazako ireo fotsiny ihany aza dia nanova ny hevitro fa tsy mety ny hanatontosana ny fifidianana amin'io 17 novambra 2010 ho avy io ary raha azo atao aza dia sakanana amin'ny fomba rehetra izany satria fisolokiana ankitsirano ny safidin'ny Besinimaro. Ka raha sanatria sanatria tontosa ihany izy io dia tsy tsara velively ny mandray anjara ho amin'izany fifidianana izany. Tsy misy dikany fa toa mitovy ihany tsinona na ENY na TSIA no mandresy fa ry FAT ihany no hitondra koa ny vahaolana tsara indrindra dia ny tsy mampifidy sy tsy mifidy. Entano ny rehetra tsy hifidy satria fisolokiana io. Fa na izany na tsy izany dia araho maso hatrany ny lisitra ataon-dry zareo sao tsy ao ianao na misy olona hafa ampidiriny amin'ny fonenana misy anao. Marihina fa tany an-toeran-kafa aho dia efa nanatsidika kely ihany ny tokony hanaovana TSIA fa amin'izao fotoana izao dia mandrisika ny rehetra tsy hifidy amin'io fotoana io ary raha azo atao aza dia tadiavina ny fomba tsy hanatontosana io fifidianana kasaina atao tsy misy fanazavana io. Farany, oviana koa no misy mampiely trakitra arahina miaramila amina kamiao hiambina azy? Fampielezan-kevitra izany sa fampielezan-kery?
 
 
 

Jentilisa, 04 oktobra 2010 amin'ny 23:15




Aza manaraka ny hadalany

2010-09-28 @ 10:01 in Politika

Miala tsiny indrindra aho raha mety ho maro ny ho tafintohina amin'izay soratako etoana. Saingy ny volana imaso manko tsy mba kilema. Hanohintohina izay mety handrandrain'ny sasany manko aho ary torohevitra ny ahy fa tsy afaka hihambo aho fa izaho irery no manana ny marina. Saiky tsy hanoratra azy ity aho nefa tery indray tsy hidiran'ny sasany amin'ny fahadisoana paikady. Jereo fa tsy niresaka fihaonam-bem-pirenena mihitsy aho nandritra ireo lahatsoratra faramparany afa-tsy tamin'ny fehezanteny tokana angaha. Tsy nanome hasiny an'iny manko ny tena ka ninia tsy niresaka.

Nahavita ny fihaonambem-pireneny ny mpanohana ny fitondrana amin'izao fotoana izao, ary ratsy dia ratsy ny fiantraikan'ny fanatanterahana iny fihaonana nataon-dry zareo teny Ivato iny eo imason'ny saramambem-bahoaka indrindra fa tamin'ireo mpanohana ny fitondrana amin'izao fotoana izao. Misimisy ihany moa ny olona fantatro amin'izany ary tsy very teo imasoko ny tsipalotro tamin'ny fihetsik'izy ireo hamantarana izay any an-tsainy any. Raha fehezina dia niteraka fahafaham-baraka tamin'ny safidiny sy ny fironany ny fizotry ny fihaonana ka tsy te-hiherika sy hanaraka ny vaovao ry zareo na dia nalefa mivantana tamin'ny fahitalavi-pirenena aza ny teny noho ny rikoriko tany anatin-dry zareo. Tsy te-hiresaka momba iny mihitsy koa ry zareo satria hivadika any amin'ilay fitadiavam-bola sainina ho mihoam-pampana avy hatrany ny dinika ka tsy hanan-kalahatra ankoatra ny hoe vola no tena tadiavin'izay nandeha tamin'iny. Izany hoe raha fehezina dia nampihena be dia be ny fitokisan'ireo mpanohana azy ny nanatontosana iny nolazainy fa fihaonambem-pirenena iny.

Dia manoratra aho ankehitriny ho an'ireo tsy nandray anjara tamin'iny tsy hanala-bara-tena hanatontosa izany antsoina hoe fihaonambem-pirenena hafa nefa tsy ho ekena ankolafy manana ny toerany hatrany aloha amin'izao fotoana anoratana izao noho ny hery any aminy hatreto. Marina tokoa ny filazan'iretsy efa nanala-bara-tena voalohany fa fampisaraham-bazana bebe kokoa ny mbola misisika ho amin'izany fihaonambem-pirenena hafa izany. Tsy famahana olana velively fa ho valifingika fingaka fotsiny ary mampidina ny sanda izay efa mety hampitodika ny hafa ho any aminao indray. Efa malaza indray manko fa maro tamin'ireo efa nandray anjara ny tamin'ny volana septambra no mitady ny toerana isoratana anarana amin'ilay kasaina hotontosaina ho amin'ny volana oktobra, hangatahana vola ihany koa mandritra ny fihaonana; sahala amin'ireny hoe hokaramaina ireny no hahatongavany ao fa tsy raharahany izay hevitra tapaka mivoaka avy ao. Hita rahateo fa nivadika ho fiadian-tseza ny niafaran'ny raharaha voalohany sy finiavana te-handokandoka ny mpitondra mba hampibolisatra azy.

Tsy voatery hitsipaka avy hatrany ny hisiana fihaonambem-pirenena aho fa tsy mbola mety mihitsy aloha ny hanatontosa azy amin'izao fotoana izao. Tsy mipetraka ny fepetra hahatomombana azy dia ny fiarahan'ny rehetra miara-mandinika tsy misy hafetsifetsena. Raha tsy mbola misy ny fahavononana tena hidinika dia hikatso eto hatrany isika. Fanalavirana ny fitadiavam-bahaolana tsy misy raorao efa ambivitra dia ambivitra amin'izao fotoana izao.


Jentilisa, 28 septambra 2010 mitataovovonana.

Ny vahaolako Malagasy

2010-08-18 @ 00:30 in Politika

Nanjary lamaody eo amin'ny famahana krizy eto amin'ny firenena indray ny fanandratana ny teny hoe "vahaolan'ny samy Malagasy" [solution Malgacho-Malgache]. Noho ny filazana volana vitsy lasa izay ny hoe hambom-pom-pirenena ny tsy tokony idiran'ny vahiny amin'ny raharahan'ny samy Malagasy ve no antony nanandratana ity fitenenana ity indray? Mariho mazava tsara anefa fa vao niandoha ity krizy diavina ity dia ny "vahaolan'ny samy Malagasy" no nampiharina teto amin'ny firenena. Nanandrana niditra ihany ny vahiny, nanomboka tamin'ny Frantsay, noho ireny raharahan'ny 26 janoary 2009 teto Antananarivo sy ny telo andro manaraka tany amin'ny faritra rehetra tany ireny saingy hitantsika ny vokany. Teo amin'ny fanelanelanan'ny mpitarika ny FFKM kosa no nandraisan'ny Malagasy ny fanelanelanana ny samy Malagasy... izany hoe ireo mpifanandrina politika no marina kokoa... narahin'ny fikambanana vahiny maso izany sady efa fantatsika ny vokany sy ny tohiny. Hatramin'izay nisian'ity vahaolana amin'ny krizy amin'izao fotoana ity izany dia tsy nisy nahomby na ny vahaolana nataon'ny samy Malagasy na ny vahaolan'ny fifanarahana nosoniavin'ny solontena vahiny koa fomba ahoana no hivahan'ny krizy raha tena mitady tokoa isika?


Ny tsikaritro aloha, satria voambolana Frantsay no tena novoizina amin'izao fotoana izao, dia ny hevitra fonosiny. Mampiova fisainana tokoa ny voambolana raisina amin'ny raharaha tahaka itony ary mety hiantraika amin'ny famahana ny olana ihany koa aza. Raiso anie ny teny hoe "Solution Malgacho-Malgache", ny fijeriko dia manome lanja ny fisaraham-bazan'ny samy Malagasy io fiteny io. Misy izany ny vondrona Malagasy hifanaraka amin'ny vondrona Malagasy hafa izany eto, Matoa naverina indroa ny anarana dia maneho fiavahana sy fihatahana amina vondrona Malagasy samihafa mihitsy izany. Toy ny manambara io fa mizara roa miavaka tsara ny Malagasy tondroina eto. Ohatra: Centre Franco-Malgache manondro toerana fihaonan'ny Frantsay sy ny Malagasy, dia ovay hoe "Malgacho-" ilay "Franco-" fa amiko manokana dia hafahafa ny mihaino azy. Nahoana no tsy nosoratana na nolazaina ohatra hoe "Solution entre Malgaches" na "Solution Malgache" tsotra izao? Heveriko fa misy dikany matoa izay voambolana izay nonoraisina.


Nanao ahoana ny fampiharan'ny sasany ilay "Solution Malgacho-Malgache"? Tsy vahaolana no napetrany fa famefena ny fahitam-bahaolana tena izy hialana amin'ny krizy amin'ny fanapahan-kevitra mety hivoaka rehefa misy tokoa ny fikatsaham-bahaolan'ny samy Malagasy. Misy sakana avy hatrany napetraka tsy ho azo iadian-kevitra nataon'ny mpanao politika sasany nihazakazahana nosoniavina.Nivoaka ry zareo ny fifanarahana politika nosoniavina teny amin'ny Ivotoerana Ivoriambe Iraisampirenena Ivato dia karazana "Armistice" no nosoniavina satria fifanarahana politika ilay izy nefa dia "capitulation" no votoatim-pifanarahana satria izay tian'ilay "napetraka" ho mpandresy tamin'ny ady miaramila nifanandrinana no harahina. Azo lazaina noho izany fa tena niketrika tokoa ny mpitetika ny paikady tamin'ity Fifanarahana politika teny Ivato nosoniavina ny "Vendredi 13" ity...[fa dia naninona loatra aho no nanoratra teny frantsay maromaro tato?]... Voafaritra mazava tsara ao anatin'ny fifanarahana fa tsy misy azo esorina na aongana intsony ny mpandresy sy izay vonon-kiara-dia amin'ny mpandresy ka tafiditra na voatendry anatina rafi-pitantanana hajoro. Mifandamina izany ry zareo samy mpanao politika amin'ny fizarantseza. Tsoa-kevitra : Olana hatrany ny mpanao politika [Malagasy amin'izao fotoana izao] na misaraka na mitambatra, ary izy mitambatra no mampidi-doza kokoa ho an'ny firenena.


Etsy ankilan'izany dia fahadisoana ihany koa raha ny fijeriko azy ny fitadiavana hifikitra mandrakariva amin'ny "Satan'ny Maputo sy Adis-Abeba" izay mametraka hatrany ilay mpandresy eo amin'ny toeram-boninahitra ambony indrindra raha hijoro ihany ny tetezamita ary mbola ho olana ho an'ny Malagasy, araka ny fomba fijeriko, ny mieritreritra ireo olona halany sy tsy nofidiany na nanaovany latsa-bato akory, nefa dia hiteroterona amin'ny seza fisoloan-tena ny vahoaka. Manahirana ahy ihany koa ny mahita ilay rafitra mavesatra dia mavesatra itadiavana amin'ny fomba rehetra hametrahana olona maro dia maro ho anatina andrim-panjakana. Fandaniambola mihoa-pampana izany na dia azo heverina ho vahaolana ihany aza nefa ny hitavana ny volam-bahoaka ihany no ho raharahan-dry zareo ao anatin'izany rehetra izany. Mila rafitra mahomby ny tetezamita raha ilaina izany ary ny antoky ny fahombiazana dia ny fanomezana andraikitra ireo manampahaizana vitsy eo amin'ny fitantanana mandra-pihavin'ny fifidianana isafidianan'ny Malagasy izay tiany hitantana ny firenena na olona tsy manana diplaoma io na jiolahimboto na olonkafa tsy ary ho voatanisa.


Fandrika iray ilaina sorohina ny fitadiavana fanaovana zara fa vita ny tetezamita ka manjary ratsy fototra izay rafitra tian-kajoro aoriana. Averimberina mandrakariva ny filazana hamitana haingana ny tetezamita, tsy fahamehana ho amin'izany mihitsy no tanjona amin'izao fotoana izao, raha ny fijeriko, fa ny fialana amin'ny krizy. Ny krizy hita amin'izao fotoana izao dia ny fitokana-monina manjo ny Malagasy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Fiandohan'ny famahana krizy noho izany, amiko, ny fiverenan'ny fitokisan'ny iraisam-pirenena, raha sainina fa olana izany fitokana-monina izany eo amin'ny sehatra diplomatika. Raha sainina ho tsy olana kosa dia tsy manan-kambara ny tena fa dia tena tsy misy tokoa noho izany ny krizy ka avela amin'izao hanohy ny asany izay mitantana ny firenena. Raha ny amin'izao fotoana, aloha, dia tsy tokony atao an-kamehana ny fihaonambem-pirenena kasaina hotontosaina ny faran'ny volana io satria efa fefen'ilay fifanarahana politika nosoniavin-dry Tia Tena isany. Nanimba ny hevitra tera-bary avy hatrany manko io toe-javatra iray io. Tadiavina kosa ny fampandraisana anjara ny daholobe vonon-kandray andraikitra [tsy miandry izay tsy handihy sy tsy hiteha-tanana kosa] ary mbola eo amin'ny fifanentanana isika izao. Raha te-hahalala izay mifanakaiky indrindra amin'ny hevitro noho izany ianao dia ato amin'ity vondrona Facebook ity no fantatro aloha. Sarotra ny lalana saingy samy manana ny fandresen-dahatra ary izay aloha no anjara birikiko. Tetezamita ny resaka izao!


Jentilisa 18 Aogositra 2010 amin'ny 02:30 maraina.

Porofo an-tsarin'ny halatra

2010-07-06 @ 23:04 in Politika

Gaga ihany ny tena raha nandre ny siosion-dresaka hoe toa misy fitadiavam-pifanarahana hoe eo amin'ny Foibe FJKM sy ny fitondrana FAT amin'izao fotoana izao. Izaho moa na dia tsy nanoratra mivantana aza dia efa nanambara fa diso paika ny mpitarika tao amin'ny HMF tamin'iny 20 mey 2010 iny. Andro izay nisian'ny fifampitifirana teo amin'ny FIGN sy ny Emmoreg. Tsy tokony ho niditra mivantana tao anatin'ny raharaha ireo mpitarika ireo fa "mody" nanohy ihany ny fotoana efa nolazaina ho eny Ambohimanandray Ambohimanarina (miala tsiny amin'ilay fomba fitenenana fa ilaina mandrakariva ny ho mailo). Ny olona efa tonga teny amin'ny Mausolée ihany! Azo lazaina fa tokony ho vita aloha ny adidiny teo. Na teo aza izany fahadisoana paika izany dia tsy ankasitrahako mihitsy izany fitadiavam-pifanarahana izany. Amiko raha mifanaraka amin'ny "ratsy" dia lasa miray tsikombakomba aminy koa. Ho fahadisoana paika fanindroany indray raha izany fifanarahana izany no tontosa. 

Voatery miafina ireo mpitondra fivavahana ireo, ekeko izany fa tsy natao hahakivy ny toe-javatra. Lasa manome rariny ireo milaza tena ho mpitondra ireo raha vao misy fifanarahana eo, sady tsy hitana ny teniny na oviana na oviana ry zareo fa ny hanome famaizana izay henjana indrindra aza ny kasainy raha vao mitolo-batana eo ireo mpitondra fivavahana ireo. Tsy izany ihany fa mbola ho avy indray ny daroka sy ny fanizambazimbana ary ny fanitsakitsahana ny zo mahaolona sy ny hasina maha-mpitondra fivavahana azy ireo eo imason'ny mpanaraka azy raha vao misy fibabohana eo anatrehan'ny mpitondra ny tany eo. Ary dia ho avy koa ny fieboeboana fa ry zareo no tena irak'Andriamanitra na tendrin'Andriamanitra hitondra ka tsy hisy intsony ny hahatohitra azy ireo. Ho lasa henatra ho an'ny fiangonana ihany koa izany raha amin'ny fomba fijeriko manokana.

Hevitra niposaka avy hatrany ireo na dia tsy izay loatra aza no votoaty kasaiko etoana. Misy ifandraisany ihany manko fa resaka FJKM sy fitondrana indrindra no resahina. Eo amin'ny sehatry ny fampianarana no iompanan'ny resaka eto. Fantatsika fa eo amin'ny sekolim-piangonana dia matanjaka dia matanjaka tokoa ny EKAR, malaza amin'ny fahatsaran'ny fampianarana ry zareo ka dia mifandanja amin'izany ihany koa ny saram-pianarana. Mazava loatra raha voaloa ara-dalàna ny karaman'ny mpampianatra any amin-dry zareo. Ny any amin'ny sekoly protestanta kosa tsy dia tahaka izany loatra fa ireo ankizy avy any ambanivohitra no tena mandalim-pianarana any amin-dry zareo. Matetika anefa ireny olona avy any ambanivohitra ireny no tsy maharaka loatra amin'ny saram-pianarana hany koa voatery somary ahena ny saram-pianarana. Vokany na lasa kely karama ny mpampianatra na tsy voaloa ny karama, antsirambina avy eo ny fampianarana na lasa mikarama any ivelany ihany koa ireo mpampianatra any amin'ny sekoly protestanta. Ankoatra ny zavamisy izany dia maivan-danja ny sekoly protestanta raha oharina amin'ny sekoly katolika.

Hitan'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izany toe-javatra izany, ny tenany mba nanan-katao ihany. Te-hampisondrotra ny satan'ny sekoly protestanta izy, ary ny sekoly FJKM indrindra indrindra. Na ahoana manko mety ho filaza na ahoana dia ny tenany no saiky ho mpanohana voalohany ny fanatsarana ny sekoly FJKM manerana an'i Madagasikara. Ny fananganana ny Lycée FJKM tamin'ny tanandehibe no napetraka voalohany, ary niainga tamin'ny fananganana foto-drafitrasa izany. Ny ankamaroan' ireo Lycée FJKM vaovao naorina ireo dia saiky nanakaiky fiangonana FJKM iray tamin'ny ankapobeny. Tanàna roa nananganana izany Lycée FJKM izany no hasehoko anareo, ary dia mariho sy jereo tsara ny endrik'ireo maritrano ireo. Tany Antsirabe sy tany Mahajanga ireo sary ireo no nalaiko ary tany amin'ny taona 2008 tany avokoa ny nakako azy. Soa aloha fa naka ireo sary ireo ho vavolombelon'ny tantara.
 
 

Ny sary roa dia tany Vatofotsy fa ny anaran'ny fiangonana dia hoe Katedhraly Mahafaly Fahazavana (izaho no manao "tsipelina diso" eto nefa izao no maharesy lahatra ahy) izay miorina ao Antsirabe avaratra, izany hoe ety am-pidirana ny tanàna raha avy aty an-drenivohitra Antananarivo. Na ny fiangonana aza dia ao haingana no niorina noho ny fahavitsian'ny fiangonana raha mitaha amin'ny isan'ny mpino FJKM. Ny trano sekoly eto dia eo ampananganana ny andrintrano izay vy miloko manga raha tazanintsika tsara.
 
 

Ny sary iray kosa dia ny sekoly FJKM izay naorina akaikin'ny FJKM Ziona Vaovao Mahajanga. Eto dia hitantsika miharihary fa raha amin'ny sakan'ny trano dia 6 ny isan'ny andry vy, 17 kosa ny isan'izany andry vy izany raha manaraka ny lavan'ny trano ary 3 ny isan'ny rihana. Tsara homarihina manko izany toe-javatra rehetra izany fa raha mitovy ny maritranon'ny Lycéé FJKM Antsirabe sy Mahajanga dia azo heverina avy hatrany fa ho tahaka izany avokoa ny maritranon'ny Lycée FJKM rehetra manerana an'i Madagasikara. Ny tafon'ny trano moa raha jerentsika dia tsy tena marindrano fa somary mitady ho boribory izay ihany. Marihiko hatreto fa ireo tanàna roa ireo ihany no voatsidiko ka azoko sary tamin'ny taona 2008, nefa azoko antoka fa mitovy avokoa ny maritrano. Mazava loatra ihany koa fa manana fitovitovizana endrin-tranon'ny vondron'orinasa tiko ihany koa ilay endri-trano.
 
 
 
Mety hisy ny hitsikera avy hatrany hoe filohan'ny Malagasy iray manontolo izy koa nahoana no ny sekoly FJKM ihany no tadiaviny hokarakaraina fatratra. Filohan'ny Malagasy manontolo tokoa izy saingy tsy azo adinoina ny maha-ao amin'ny FJKM azy izay tsy zakan'ny sasany loatra. Mba manana ny adidiny isankarazany ihany koa izy ary tsy ny volam-panjakana no voatery ho nananganana ireny sekoly ireny. Manana ny fandresendahatra ao aminy izy raha nanapa-kevitra fa ny fampitomboana ny ambaindain'ny sekolim-piangonana no nataony fa tsy ny an'ny sekolim-panjakana ohatra.

Tonga ny fotoana, niongana ny filoha Ravalomanana, nozimbazimbaina ny filohan'ny FJKM, dia norobaina ihany koa ny fananan'ny FJKM indrindra fa ireo fitaovana saiky hananganana ny Lycée FJKM izay notantaraiko teo ambony ihany. Nalaza tamin'ny fiandohan'ity taona ity ny fampanantenana nataon'ny fitondrana hanomezana trano ho an'ny mpianatra tany Barikadimy, Toamasina sy teto Ankatso, Antananarivo. Voasakan'ny mpino tany Toamasina ny saiky handrobana ireo vy fanorenana ny trano (izany hoe ilay andry vy miloko manga efa notantaraiko tetsy ambony), enga anie mba ho izay hatrany fa tsy hoe lasan'ny MPANDROBA ireo fitaovana ireo amin'izao fotoana izao. Lasan'ny MPANGALATRA kosa ireo fitaovana rehetra saiky hananganana ny Lycée FJKM teto Antananarivo, izay nipirina tamina toerana iray teny Alarobia.
 
 
 
Fotoana fohy taorian'izany fandrobana izany dia nirehaka ny sasany fa hanangana trano ipetrahan'ny mpianatra eny Ankatso. Herinandro vitsivitsy taorian'ny fametrahana ny vatofehizoro dia indro fa niorina ireo trano anankiroa. Dia nipoitra ny entana halatra mba ho an'ny mpianatra... henjana ny zavamisy an! natao ho an'ny mpianatra ihany no niafaran'ireo entana halatra nokasaina ho an'ny mpianatra. Raha tsy mety hiorina ny trano ao Barikadimy satria ny tany Analakinina no nokasaina voalohany halaina hanaovana ny fanorenana, fa enga anie ho diso izay fiheverako izay fa enga anie sady tsy voaroba ny entana tao Analakininina Toamasina nefa an-dalam-panorenana ihany koa ny trano ho an'ny mpianatra ao Barikadimy.
 
 
 
Raha ny ao Ankatso manko dia be loatra ka lasa porofo fa ny fitaovana nalaina tao Alarobia ireo nananganana ny trano eo Ankatso ireo. Andry vy miloko manga antitra, 6 no isan'ny andry amin'ny sakan'ny trano ary 17 tahaka ilay tranon'ny sekoly FJKM tany Mahajanga ny isan'ny andry manaraka ny lavany, telo ny rihana ary somary boribory fa tsy tena marindrano. Fehiny, ny sary fotsiny jerena dia hamarino ka ho tahaka ny ahoana ny fifanarahana teo amin'ny mpangalatra sy ny nangalarana ankoatra ny famerenana ny entana halatra amin'ny tompony?

 
 
 
Jentilisa teto Antananarivo 07 jolay 2010 na 07-07-10 amin'ny 01:00

Paika folo hitazonana ny fitondrana jadona

2010-07-06 @ 01:31 in Politika

Maromaro ihany ireo variana fa tsy dia nahasoratra loatra ny tena. Misy ny olana manokana saingy etsy ankilan'izany mbola anatin'ny mondial ihany koa isika. Ny tena rahateo mpankafy io baolina fandaka io. Efa teo ampamolavolana ny lahatsoratra indrindra aho no nahita, na nanitsy no marina kokoa ity lahatsoratra iray avy any ivelany mitondra ny lohateny hoe "Fomba folo hitantanana repoblika fôpla" ity (tsindrio ny rohy) . Tena nahavariana ny namaky ilay lahatsoratra ka ampitaiko aminareo aloha sady itarafanareo ny zavamisy eto Madagasikara ihany koa. Samia mamoaka ny heviny ary e! Ho an'ireo izay manana fahaizana ny teny anglisy niaviany dia iangaviana an-tanandroa hanitsy ihany koa satria fifanabeazana sy fifanoroan-dalana ny antsika. Mazotoa mamaky azy ary aloha!

Mitohy ny fahadisoany

2010-05-27 @ 22:09 in Politika

Toe-javatra somary nampisaritaka ny tontolo politika teto Madagasikara ihany ilay raharaha nanafihan'ny FIS sy ny Emmoreg ny tobin'ny zandarimaria avy ao amin'ny FIGN mifanila amin'ny Fasan'ny mahery fo eny avaratr'Ambohitsaina. Maro ihany ny lasa saina hoe tena izy ve iny sa fihetsika namboamboarina? Tranga iray hitan'ny besinimaro manko dia lalana iray ilay mananika an'Antanimora iny ihany no nifoforan'ny FIS sy ny Emmoreg nananihana na dia misy izao aza ny lalana hatraty Ampasampito sy tsy maninona koa ny milaza hoe Ambohitsaina. Raha tafika miisa 600 lahy izany ve tsy mba mety ihany raha nozaraina telo dia samy misy 200 avy ohatra. Nodinihako tokoa ilay tranga ary dia tahaka izao no hitako nanaovan'ny FIS sy ny Emmoreg ny teti-panorony.

Manamboninahitra iray dia ny Kolonely Richard no nitarika ny Emmoreg, mety ho tsy matoky loatra ireo lefiny izy na tsy manana lefitra eo amin'ny fibaikoana koa dia nataony tarika iray ihany ny vondro-tafika nentiny. Faharoa, mety hisy hitsimbadika tampoka ny sasany ao amin'ny andian-tafika na zara fa manatontosa ny asany koa dia naleo lalana iray ihany no nomasahina. Miharihary amin'ny rehetra fa tsy manaraka ny baikon'ny Kly Richard loatra ny avy amin'ny FIS fa te-hanava-tena ho manana ny maha-izy azy. Izay toe-javatra izay dia efa nampisy ny fisaritahana teo amin'ny fibaikoana ka nahitana soa aman-tsara fa ny iray mbola mitady fifampiresahana nefa ny hafa manohy ny fanafihana ataony hatrany. Misy zavatra tsy mifandrindra eo izany.

Manaraka izany, toy ny mazava avy hatrany ny tanjon'ny avy amin'ny FIS fa ry zareo no miavaka indrindra ary ao amin-dry zareo no misy ny sangany sy ny mahery fo indrindra. Tsy dia natao mahagaga loatra raha ilay tena sahy indrindra sady atokisan'ny lehibeny indrindra no lavo teny an-tany fiadiana. Io fahalavoana io no nahamaimbo ra ny FIS ka mety ho nifampitenenandry zareo fa tsy maintsy mahalavo iray amin'ny ankilany koa ry zareo farafaharatsiny ho sandany... Dia lasa tsaho amin'izay moa ny resaka isan-karazany manaraka, ny fijoroana vavolombelona sisa no somary azo itokisana dia ny fandrobana nataon'ny FIS ny tao an-toby rehefa tafiditra tao ry zareo, ny fanerena ny Jeneraly mpifehy voalohan'ny toby hanangana saina fotsy ho marika fa nandresy ry zareo mpanafika. Ao anatin'ny tsaho kosa ny filazana fa tsy nisy fitaovam-piadiana teny amin'ilay zandary nolazaina fa FIGN dia no tarihina teo amin'ny kianja filalaovana no notifirina manta fotsiny.

Vokatr'izay fandresena izay dia nahazo tambin-karama somary betsaka ihany raha oharina amin'ny vola fandrain'ny Malagasy eto an-toerana ny FIS raha tsy nandrenesana na inona na inona kosa ny tany amin'ny Emmoreg. Moa ve tsy tsapan'ny mpitondra amin'izao fotoana izao fa fanasaraham-bazana ny samy ao amin'ny tafika izany fihetsika izany? Raha tena maharo azy manokana ny FIS dia mety ho avy tsy ho ela ny fitsapan'ny hafa rehetra izany vaikan'ny FIS izany miohatra amin'ny vondrona hafa rehetra. Tsy nijanona hatreo ny fiangarana fa tsy mbola nahay nitondra tena ho mendrika izany hoe filohan'ny Malagasy manontolo izany ny sasany fa na samy nisy aza ny lavo dia izay mahery fo heveriny ho miaro azy ihany no nomeny voninahitra, toy ny fanaporofoana fa tena efa misara-bazana tokoa ny samy Malagasy ka ny ankolafy heveriny ho azy ihany no novangiana...

Farany, raha heverin'ny sasany ho fandresena ho azy ilay fifanarahana fitrandrahana vy goavana any amin'ny faritra Soalala dia mety ho tsy ampoiziny ny tohin'io resaka io. Tsy te-hilaza zavatra betsaka aho fa na dia ny hery mpanohana azy aza hihataka aminy noho io fifanarahana iray io. Koa manao fahadisoana ny mpitarika avy amin'ny hery mpanohitra rehetra raha mijanona fotsiny amin'izay fa tsy maintsy tohizana io tolona io.


Jentilisa, 28 mey 2010 amin'ny 00:08

Paika diso

2010-05-20 @ 23:13 in Politika

Tontolo andro nisiana fifampitifirana teo amin'ny samy mpitam-basy tokoa ny andron'ny 20 mey 2010 teto Antananarivo. Nanapa-kevitra avy hatrany ny handrava ilay fidinana an-dalambe voatery nampidirina tanaty toby ny avy amin'ny mpitana ny fahefana. Andro atoandro ihany ny fanafihana. Satria tsy nahazo ny toerana notadiavina ny HMF dia anilan'ny toby no nanatanterahana izany. Raha ny fijeriko azy dia tokony ho nangina fotsiny ny tao amin'ny HMF rehefa nahatsapa avy hatrany ny olona fa any Andrainarivo ilay toerana hihaonana. Nefa efa izay angamba no nifanarahana. Heveriko fa tsara ampanombohana ihany ilay tetika fa nisy zavatra banga tao aoriandriana tao.

Hitako fa tsy nivonona ho amina tolona fifampiarovana mahery vaika ny mpandala ny ara-dalàna nanaraka ny HMF. Tsy tokony ho navela hiasa irery ireo mpitandro ny filaminana niaro ny mpitolona fa nampiana tosika avy taty ivelany. Mitoetra hatrany ilay tsy fananana rindran-damina tokony ho nanaovana izany. Raha izay manko no nitranga dia tsy maintsy nijery ny taoriany ny Emmoreg sy ny fis. Saingy efa efa fotoana lasa avokoa izany rehetra izany ankehitriny. Angamba ny tiana haseho tao anatin'iny hetsika andro iray iny dia ny hampisehoana eo imason'izao tontolo izao fa tena misy tokoa ny olona vonona ny hiaro ny tigetrany sy ny safidy politikany. Rehefa vita ny fotoam-pivavahana tao an-toby dia tokony ho nisintaka amin'izay ny olo-tsotra mba hahafahan'ny zandary niatrika izay mety hanafika azy. Soa ihany fa nahay namoaka ny sivily aloha ry zareo 

Fa niasa mafy dia mafy ihany koa ny fanelezana tsaho sy lainga entina hanakiviana ny mpifanandrina amin'ny tena. Ady fiady avokoa ireny rehetra ireny hahazoana ny fandresena. Amin'izao fotoana izao manko tsy fantatra izany tena marina fa samy tsy misy manaiky ho resy. Tsy maintsy miandry ny andro mazava indray vao mety hahita sy hahare ny tohiny ny rehetra. Ahoana marina ny zavamisy? Fa dia nahavariana ahy tokoa ny mandre fa dia tapitra fiandohan'ny takariva ny fifampitifirana. samy tsy manana infra-rouge ve dia nitsahatra sa natsahatra ny fifampitifirana dia niala ny ankolafin-kery (ity vao tena ankolafin-kery mitam-piadiana) sa dia nitohy ny alina tokoa ny fifampitifirana? Sa efa vita tokoa ny ady tamin'iny indray mitoraka iny? Iray tamin'ny tsy sasatra ny nandainga ny mpitondra teny sady toa nitarika ireo te-handrava ny hetsika teny Andrainarivo. Nodradradradraina hatrany fa hitolo-batana ny mpitarika ireo hiaro ny mpanao fihetsiketsehana saingy tsy nisy hatramin'ny farany izany sady niteny tao amin'ny onjam-peo mihitsy izy, dia mody nolazaina hoe matahotra ny ainy. Izay no antony nahatonga ny mpanara-baovao tsy nino loatra hoe resy ny FIGN.

Dia hanakory indray ny andron'ny zoma? tsy hisy na inona na inona intsony sa toeran-kafa indray no ipoiran'ny fikomiana miaramila? Valin'ny alakamisy ny zoma. Raha tsy misy na inona na inona mitranga intsony dia izay no izy araka ny fiteny fa raha misy tohiny ny raharaha dia baraingo tanteraka amin'izay ny raharaham-pirenena.


Jentilisa, 21 mey 2010, Antananarivo 01:26
 
 
Fanamarihana: mety hamoahako vaovao farany eto mandritra ny andro tontolo raha misy izany ankoatra ny ao amin'ny twitter.
 


Nikomy tsy satry ny FIGN?

2010-05-19 @ 22:33 in Politika

24 ora taty aoriana dia nalaza amin'izay ny zava-nitranga. Endrika fikomiana no fijeriko ataon'ny Toby zandarin'ny FIGN izay miantso ny vahoaka hankeny amin'ny Mausolée ny alakamisy 20 mey 2010 manomboka amin'ny valo ora maraina. Asa izay ho fandehan'ny raharaha mandra-pahatongan'izany fotoana fanombohana izany fa dia nisy zava-nitranga tokoa izany tamin'ity herinandro ity. Soa ihany fa nanoratra ny tena omaly.

Etsy ankilan'izany dia niantso ny olony ho eny amin'ny FJKM Ambohimanandray Ambohimanarina ny HMF. Ity toe-javatra tahaka ny tsy nampoizina ity ve no zava-miafina tao ambadik'ilay fahasahiana nananan-dry zareo? Tsy mpahandro hahalala loatra ny ati-vilany aho. Ny nahavariana ahy dia efa tsinjoko ihany fa tsy maintsy hiainga eny Ambohimanarina ity hetsika lazaina fa tsy ampoizina ity ary noheveriko ho ilay kianja malaladalaka ihany ananan'ny FJKM ao amin'ity Firaisana na Boriborintany ity ihany no hampiasaina nefa rehefa nanao fanambarana ny tao amin'ny FIGN dia mety hisy fiodinan'ny tantara tsy fantatra ihany ao. Tena misitery tanteraka noho izany ity teti-panorona politika iray ity.

Misy zava-mahavariana ihany eto. Tena miasa ny stratejia aloha, dia mampiasa olona maro antsoina hoe mpitolona ihany koa mba hanaovana ny hetsika ho tahaka ny endri-bahoaka. Na ny tamin'ny herintaona na ity mety hitranga ity dia misimisy itovizana ihany. Ny fahasamihafany? Efa saiky levona ny hetsika sivily (heveriko hoe nahery setra noho ny fandrobana nisy isaky ny vita ny fihaonana) no nandimby ny tolona ireo mpanao fanamiana sy mitam-basy. Eto kosa dia andro iray ny hanombohan'ny hetsika avy amin'ny HMF amin'ny andro andavanandro miainga avy eny Andrefan'Antananarivo sy ny fiantsoan'ny toby zandarin'ny FIGN mitoby eny Fort Duchesne izay miorina eny atsinanan'Antananarivo renivohitra. Raha jerena amin'izay dia heveriko fa samy tsy hijanona eo amin'ny toeram-pamoriana ireo fiantsoana olona amin'ity andron'ny 13+7 mey 2010 ity. 

Toy ny hetsika misy hery mitam-basy manohana indray izany ity mety hitranga ity. Mahalasa an'eritreritra raha todihina izay nitranga tany Thailand. Nanao hetsika politika ny Menalamba, tamin'ny voalohany dia hetsika milamina no nataondry zareo. Avy eo nihamafy ny tolona ka nanjary nanao sakana (Barricade 1848?) ry zareo. Voatery nifanehatra tamin'ny fitaovam-piadiana mahery vaikan'ny miaramila ka rava ihany na dia teo aza ny fitozoana. Tsy nanana vondro-tafika nanohana ka dia nitolo-batana ny maro tamin'ny mpitarika. Inona no tsikaritra? Nampiasa basy nitifirana sy fiara mifono vy mihitsy ny tafika handravana ilay tolona politika. Tsy naheno fanamelohana avy amin'ny firenen-kafa loatra anefa aho ka nampisy adihevitra. Hevitro manokana, satria nampiasa izay fitaovana teo ampela-tanany ny fitondrana hampandriana ny tany dia tsy niteny loatra ny firenen-kafa. Raha nisy anefa ny nanongam-panjakana tamin-kery tany dia mety ho nisy izay fanamelohana izany nefa hitsaha-ketrika raha vao nambara sy notontosaina ny fifidianana. Izay hatreto no tsy nahazoan'ny fitondrana nijoro teto herintaona mahery izay fankatoavana iraisam-pirenena mihitsy...

Fa aiza no tiako hahatongavana? Satria misy hery mitam-basy anankiroa mety hifanehitra ao dia tsy maintsy misy ny iray hihemotra. Izay aloha no nisy teto Madagasikara. Mety tsy hiditra an-tsehatra mivantana hanala izay mpanao fihetsiketsehana noho izany izay irahina handrava ny fihetsiketsehana. Efa nampitandrina ny tsy hihemotra manko ny eny amin'ny FIGN na dia mety ho tonga hatramin'ny sanatriavina aza... Saingy vinavina daholo ihany izany fa fampiomanana ny rehetra fotsiny ny soratro.

Fanamarihana resaka hafa mihitsy: Asa ianareo izay nahita ity lahatsoratra ato ity fa misy zavatra tsy mazava ihany ao. Nahoana no lazaina ho tamin'ny 27 avrily no nivoaka ary amin'ny 26 mey ny farany fandraisana anjara nefa dia ny 19 mey vao hitako izy io? Ary ny mahavariana dia 19 mey ihany koa vao misy namela hafatra? Moa ve tsy efa fantatra mialoha izay tian-dry zareo halefa hijery lalao any Afrika Atsimo? Am-bava homana am-po mieritreritra. Variana be aho fa tsy mahita ny fametrahan-kevitra. Raha toa moa tsy hitanareo intsony ilay lahatsoratra ao amin'ny rohy dia mety ho efa noesoriny izay na nafindrany toerana. 


Jentilisa 20 mey 2010, Antananarivo 00:32


Sahy tafahoatra ve ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana?

2010-05-18 @ 23:17 in Politika

Miarahaba indray ny mpamaky. Elaela tsy nanoratra. Saiky hanao tatitry ny dia fa toa tsy mety tontosa ka aleo hilaza vaovao fohifohy misy eto an-toerana. Manomana hetsika ny HMF ny alarobia sy ny alakamisy. Ny alarobia 19 mey (tsaroanareo ve ny 1929? sa tsy fantatrareo? izany no filaharambe voalohany teto Antananarivo nitakiana ny fahaleovantena tamin'ny andron'ny fanjanahantany) dia natokana ho an'ny Mpiandry, tsy nolazaina ny toerana hanatontosana azy fa hetsika handroahana ny devoly sy Satana hiala eo amin'ny fitondrana no fahazoako ny ambangovangon'ny resaka nataon'izy ireo! Ny alakamisy kosa dia ho an'ny daholobe amin'izay ka ny ora manomboka amin'ny 11 ora atoandro fa tsy mbola nolazaina ihany koa ny toerana. Izany hoe matoa tsy nolazaina dia noho ny stratejia, ary manaraka izany raha toerana fandehanan'ny daholobe dia tsy nangatahana alalana any amin'izay tokony hanaovana izany.

Fa ny tena nahavaka ny mpihaino ny Radio iray dia ny fahasahiana niteny nananan'ireo mpitondra fivavahana niresaka ny andron'ny alatsinainy. Tena na dia mpandala ny ara-dalàna aza ny tena dia natahotra sy nanahy indray. Tena sahy izany ry zareo a! Ny tadidiko dia nolazain'izy ireo fa tsy araka an'Andriamanitra ny fitondrana eto amin'izao fotoana izao, ary niampy izany ka nolazainy fa (misy olona zanak'i) satana no mitady hibodo fahefana ka ny asa manomboka izao dia ny hanala ny devoly sy satana tsy hitondra an'i Madagasikara intsony. Satana satria mpamono olona sy rain'ny lainga ary tsy mety misy marina izay ambarany ka ny nisintonany izany filazana izany dia izay hita ao amin'ny Jaona 8:44 ho an'izay mahay mijery baiboly. Dia miandry aho hoe hisy ve ny fisamborana ireo niteny izany? 

Vao tsy ela no nisy mpitondra amin'izao fotoana izao nilaza fa handray ny andraikiny fa tsy azo atao intsony ny mivorivory hanohitra... Dia nisy ny fisamborana ilay mpanao politika iray nampangaina ho naniratsira ny "filoham-panjakana", fa mbola nihajabe ny an'ilay nosamborina raha nampitahainy tamin'izay notenenin'ireo mpitarika ny HMF tamin'io alin'ny alatsinainy io. Dia hoy aho hoe hisy fisamborana ve ny talata na ny alarobia na ny alakamisy? Ny talata aloha tsy nandrenesana nainona na inona fa ny andron'ny alarobia isika mety hahita ny tohiny. Toy ny fihatsiana hoe sambory ary izahay manko ny votoatin-dresaka tamin'io fotoana io nefa toa tsy mbola hita aloha izay fihetsika avy amin'ny manana ny herim-pamoretana. Fa raha tsy misy ny fisamborana dia mety hijery ny tohiny ve izy ireo? Koa raha mahazo olona any amin'ny toerana mbola tsy notononina hatreto amin'izay dia hanao akory? Sa sao efa misy mahafantatra kosa fa misy hery mizara any ambadika any ka manahy ny ho tohin'ny fikasana fisamborana ny sasany? Fanontaniana avokoa izany rehetra izany fa dia ho hita ny tohiny.


Jentilisa, alarobia 19 mey 2010 amin'ny 01:11
 
 
 

Zavatra hafa ambadiky ny mody atao hoe fanonganam-panjakana

2010-04-18 @ 22:59 in Politika

Volana nanamarika manokana ny atao hoe fanonganam-panjakana na tsy fanonganam-panjakana ity volana avrily 2010 ity. Ahafahana mitaratra ny any ambadiky ny sehatra tsy hitan'ny besinimaro ireny zavatra hita maso na atao ho talaky maso ireny. Fitadiavana ny antony ao ambadik'ireny karazam-pihetsiketsehana ireny noho izany no ataoko eto fa tsy hianina fotsiny amin'ny hoe sarimihetsika io na sarintsariny io. Tsy ho sodokan'ny aseho ivelany aho fa mampitodika ny rehetra kosa ny fiantraikan'ilay toe-javatra sy izay tohiiny nanaraka ilay toe-javatra aroso eo anoloana.


Mety ho tsy voamarikareo tsara angamba ilay nosoratako tamin'ny faran'ity herinandro ity ihany tao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe "Mpitarika mpamadika" teny amin'ny faramparany manao hoe :"Na dia maro aza ny zavatra tiako hosoratana toy ilay "tsy fanonganam-panjakana" dia hatreo ihany aloha ny soratana", dia saiky hanoratra aho tamin'izany fotoana izany hoe misy hatrany ireo minia manely tsaho na mamorom-baovao tsy azo hamarinina afa-tsy ireo izay mety ho nandray anjara taminy heno eny anelakela-trano eny. Noheveriko ho tsy dia maika loatra ilay hevitra nitambolona tato anatiko tato ka nahatonga ahy nampandefitra ny lahatsoratra mikasika izany. Ity sarintsarina fanonganam-panjakana nitranga tamin'ny alahady 18 avrily ity indray no nahatery ahy hambosaka izany ho anareo mpamaky hajaina.


Herinandro volohany, fanonganam-panjakana  voalohany 
 
Ny mpanara-baovao rehetra dia mety hahatadidy fa ny andron'ny zoma 2 avrily no nisy fiambenana mafy dia mafy ny Lapan'Ambohitsorohitra. Nanao fampisehoan-kery tamin'ny alalan'ny fandrantirantiana fitaovam-piadiana mahery vaika ny mpiambina ny lapa miaraka amin'ny vondron'ny FIS (Force d'Intervention Spéciale) nandritra io alina io ary nanery izay nanana fiarakodia rehetra hanala ny fananany teny amin'ny faritra Antaninarenina. Ny maro dia nihevitra fa tsy nahomby ilay fanonganam-panjakana tamin'io andro io. Izaho kosa resy lahatra fa tena nahomby tokoa ilay fanonganam-panjakana. Tsy hita mivandravandra nandritra iny faran'ny herinandro iny ilay fanonganana fa ny tohiny nandritra ny herinandro fiasana no tsikaritra fa niova ny mpitondra tenin'ny prezidansa.


Hevitra am-pitaka no natao tamin'io alina io: naseho tamin'i DJ fa tsy mitantanana na inona na inona intsony izy fa misy mikatsaka ny ainy. Voatery niafina na tsy nisehoseho vahoaka ingahy DJ nandritra ny andro maromaro. Efa voalazako any amin'ny lahatsoratra hoe hilaza izay tsy voalaza any an-kafa moa ny amin'io tsy nahitana nandritra ny fotoana maharitra ny PHAT. Nanomboka tamin'io fotoana io dia ny praiministra no lasa nitondra teny tamina filankevitry ny Minisitra fa tsy ny Sekretera Jeneralin'ny Prezidansa. Misy zavatra hafahafa ao izany! azoko heverina avy hatrany fa efa ny praiminisitra no mitantana ny baolina fa saribakoly mody arantiranty fotsiny ny PHAT. Azoko heverina miaraka amin'izany ihany koa fa nahatsinjo io fiovam-pitantanana any ambadika io ny Minisitry ny Foloalindahy tamin'izany fotoana ka mety ho nanoman-javatra na samy nanana tetika izy roalahy ireo saingy ny an'ny Praiminisitra no tonga taloha.


Tonga ny fotoana dia namoaka ny didy fandraisan'ny praiminisitra ny fitantanana ny minisiteran'ny foloalindahy ny filankevitry ny Minisitra. Ny tenan'ilay handray fitantanana no nanambara izany tamin'ny mpanao gazety, izany hoe ampahibemaso... Somary mahavariana io fa heveriko ihany koa io hoe fanonganam-panjakana hafa satria manambara na manendry ny tenany izy. Ny filazan'ny mpanolo-tsainan'ny praiminisitra, izany hoe azo heverina ho tsaho koa ity filazana ity satria tsy nivoaka ampahibemaso, no nahenoana fa nofandrihana ho any Mantasoa ingahy praiministra ary efa voaomana ny "fampamindram-pitantanana" rehetra no nisy nanao tsilia-tsofina taminy tsy hankanesana any fa "vita" izy raha mankany. Nisy namadika izany tamin'ireo mpikarakara ary azo vinaniana ihany taty aoriana hoe iza ilay nampandamoka ny raharaha. Ny tohin'io resaka Mantasoa - izay mbola azo apetraka ho tsaho satria tian'ny mpanaraka ny praiminisitra hatao toho-tsofina amin'izay akamany - io, sy ilay hoe "fifanarahana Vohipiraisana" hita an-gazety, no nahatonga ny fanapahan-kevitra maika hanalana amin'ny toerany ny minisitry ny foloalindahy.


Herinandro faharoa, fanonganam-panjakana faharoa 
 
Tonga indray ny faran'ny herinandro faharoa amin'ny volana aprily, andro sabotsy, nasaina nody avokoa izay rehetra niala voly tany amin'ny efitrano fisakafoanana sy ny toerana fialam-boly amin'ny alina teny Antaninarenina, Ambohijatovo, Analakely, Ambodifilao, Soarano, Tsaralalana... Mafy indray ny fiambenana ny Lapan'Ambohitsorohitra. Fantatsika fa tsy nanaiky hiala vetivety teo amin'ny toerany ny minisitry ny foloalindahy. Nisaraka tanteraka ihany koa ny mpitarika mirahalahy tao amin'ny FIS ka norarana tsy hahazo mankeny an-dapa intsony ny Lt-Cl Charles. Noahiahiana hamono ny PHAT manko ranamana...di anoalzainy fa hotsapainy ny herintsain'ny mpiambina ny Lapam-panjakana. Vokany: raha saiky hitafa tamin'ny mpanao gazety voafantina ny PHAT dia voatery nanemotra izany ho amin'ny fotoana hafa indray. Tsy mbola tafavoaka tamin'ny fahanginany noho izany ingahikely. Hatreto mbola tsy miova ny tena mpitantana ny firenena any ambadiky ny sehatra any. Niezaka izy ny hampijoro ny maha-PHAT lohan'ny firenena azy saingy nandamoka aloha izany, toy ny tsy afa-mihetsika hatrany izy noho izany.


Tao anatin'ny herinandro fotoam-piasana andavanandro ranamana vao afa-nitafa tamin'ny mpanao gazety hilaza indray ny hisian'ny fifampidihana eo amin'ny ankolafy. Tafavoakany ilay fitenenana saingy ho tanterany ve izany? Ao anatin'ny fotoana fiandrasana ny andro voatondro hihaonana indrindra isika amin'izao fotoana izao. Mazava loatra raha be no niteny hoe fanavotana farany ho azy io hampiverenana azy ho tena 'Filoha' tokoa fa tsy sarintsariny intsony. Be sahady anefa ny toe-javatra efa mintranga mandra-pahatonga izany fotoana izany ka ny tanjon'ireny toe-javatra ireny dia ny tsy handehanany any amin'izany fihaonana izany mihitsy. Mazava loatra manko fa hiharihary avokoa ny halatra nataon'ny sasany dia tadiavina ny fomba rehetra hanakanana ny famahana ny krizy mihatra amin'ny firenena. Tsy raharahiany izay hizoran'ny firenena fa ny mitavana ny harem-pirenena na ny haren'ny hafa no mahafinaritra azy.


Herinandro fahatelo, fanonganam-panjakana fahatelo 
 
Indro isika fa naheno hoe nisy nanapoaka grenady ny tobin-dasantsy teny Tsiazotafo, dia injao ihany koa fa vao niampita ny faran'ny herinandro fahatelo amin'ny volana isika izao dia heno indray ny 'fanonganam-panjakana fahatelo' nandamoka tao anatin'ny volana. Tiana nasongadina indray fa ny Lapan'ny Praiminisitra no saiky hotafihana voalohany, dia toy ny nanaraka mivantana sy nahalala ny zavamisy haingana dia haingana ny televiziona roa akaiky ny mpitondra amin'izao fotoana izao. Hita an-dahatsary ny fiavin'ny olona hosamborina... satria tsy nisy nampita tamin'izy ireo hoe "nandamoka" ny hetsika natao. Ny tena vonona amin-javatra sarotra tahaka itony dia manendry olona hanara-maso izay olona hanao ny "asa" fa tsy ho mora sambontsamborina vetivety izany. Mariho tsara fa raha niezaka ny mba hiseho vahoaka ingahikely dia mody iharan'ny fanonganana ny ao amin'ny Primatiora miaraka amin'ny lazaina fa saika hanafihana ny Lapan'Iavoloha sy Ambohitsorohitra ary ny any an-tranon'ny PHAT araka ny nolazaina. Fijeriko dia mibaribary fa te-hisongadina mihoatra noho ny PHAT eo imasom-bahoaka ny Praiminisitra fa tsy hionona intsony ho mpitantana manontolo ny firenena any antakonana any. Mbola hiandry ny faran'ny herinandro fahaefatra ve hampibaribary izany? Ka amin'io faran'ny herinandro io anie no voatondro hanaovana ny fihaonana e!


Noho izany, tsy hoe fanakanana azy tsy handeha ihany no tanjona amin'ireo toe-javatra avelany ho hitantsika fa efa misy tosika mihitsy any ho any hanova amin'ny fomba hafa kokoa ny fitantanana ny firenena. Ho tahaka ny ahoana ilay famindram-pahefana (fa tsy fanonganam-panjakana amin'ny alalan'ny basy aman-tafondro)? Tsy voatery ho araka ny antenain'ny ankolafy telo loatra anefa izay hitranga eo. Politika fanorona hafa indray no atrehintsika sady tsy voatery hiankina velively amin'ilay mety ho fihaonana izany tetika hitakitako rehetra izany. Na izany na tsy izany dia hiarahantsika mijery ny tohin'ny raharaha...





jentilisa, 19 avrily 2010 amin'ny 01:00 maraina ora Antananarivo




Mpitarika mpamadika

2010-04-17 @ 23:07 in Politika

Fony nanana ny lazany ny mpitondra fivavahana iray fony tanora sady nanana ny lazany teo amin'ny sehatra politika ihany koa dia nitantara fa efa niova ny fomba fanenjehana na famotehana ny fiangonana. Tsy kianina mivantana na enjehina avy any ivelany intsony ny fiangonana fa atao izay hahatongavana ho lohany ka rehefa tonga eo amin'ny toerana tadiavina dia tarihina hivily lalana tsikelikely amin'izay ny fiangonana, ho very hasina ka tsy hisy dikany intsony izy ary dia ho rava ho azy avy eo satria tsy raharahian'ny besinimaro intsony. Toa tsapako izany toe-javatra izany eo amin'ny tolona ataon'ny legalista hatramin'ny herintaona ka mandraka ity androany.


Teo ny niady ho loha sy solontenan'ny legalista ka rehefa hitany fa voakisaka tsikelikely izy dia naleony niditra ho minisitra fa any no misy ny tombontsoa kokoa. Teo ny mody tsy hitahita mihitsy fa rehefa voatendry dia misehoseho indray, rehefa tsy tanteraka ny fifanarahana dia iny koa no milentika. Teo ny tsy mety tafiditra anaty lisitra mihitsy fony nisy ireny fifanarahana ireny ka toy ny nigafy ny tolona avy eo. Teo ny mpitarika te-hampiditra ny olona ao anaty gidragidra mandrakariva nefa potika tanteraka ny legalista raha vaomiditra amin'izay herisetra izay. Eo ny olona nampidirina ho mpitarika nefa toa manao izay hahapotika ny tolona hatrany no kendren'izy ireo. Tsy te-hitanisa intsony aho fa tena mahaletra ny mieritreritra ny toe-javatra satria toa maro amin'ireo mpitarika ireo no efa mamadika ny tolona amin'izao fotoana izao.


Tranga niseho farany tamin'ity herinandro ity no itarihako ny sainao mpamaky. Iny fa nosokafana ny faritry ny Blueprint Behoririka ambadiky ny Magro Behoririka hanohizana indray ny tolona anaty fefy mba tsy hiharan'ny famoretana ny mpitolona mpandala ny filaminana sy tsy tia ny korontana. Vao andro voalohany nanaovana ny fihaonana dia hipoka sahady ny kianja, mazava ho azy fa kelikely kokoa noho ny teny Ankorondrano. Fahombiazana sahady izany, inona ny nataon'ny mpitarika? Nambara avy hatrany fa hotontosaina eny amin'ny kianjan'Ambohijatovo ny fotoana amin'ny sabotsy ho avy izao. Gaga ny tena! inona no mampipendipendina hankanesana any amin'io toerana io sa sosotra ireo mpitarika fa mbola maro hatrany ireo vahoaka vonon-kitolona? Tao amiko tao dia tsy mpitarika intsony izany fa mpamadika. Tena tsy manana stratejia hafa ankoatra ny fanakiviana olona hianoka baomba mandatsa-dranomaso ve? Sao dia tetika efa lany daty kosa izany e?


Nandeha ny fotoana, nanambara ny televiziona iray fa tsy mbola nanao fangatahana haka ny kianjan'Ambohijatovo amin'ny Asabotsy izany ireo mpitarika ireo. Na dia ninia ny hangina tsy hilaza ny hevitro aza aho dia niboraka ho azy ny fahatezerako. Tena famotehana ny tolona mihitsy izao, mpandala ny ara-dalàna ve ianao dia toa tarihinao any amin'ny tsy fanarahan-dalàna ny olona? Nisy avy hatrany ny namaly ahy fa fanosoram-potaka fotsiny izany fa raha tsy mpitarika adala koa tsy hahalala izay tokony ataony. Asabotsy mifankahita ary hahita azy tsara! hoy aho. Zoma: nalefa teny amin'ny tiko Tanjombato ny tolona: tsy nasiaka loatra aho satria mba misy koa ny olona akaiky iny toerana iny haneho ny heviny.


Zoma alina: nisy zavatra nipoaka ny teny amin'ny toby mpitsinjara solika ana orinasa frantsay. Iza no mahazo tombotsoa amin'ny fanapoahana tobin-dasantsy tahaka izany ary iza no ahiahiana avy hatrany? Na dia manambara endrika grenady aza ireo nanatri-maso tamin'io toe-draharaha dia misy ny manam-pahefana kinga amin'ny filazana fa baomba namboarina indray io... izany hoe te-hanameloka ny legalista ankolaka izy. Fepetra raisina voalohany: tsy maintsy masiaka amin'izay mety ho fidinana an-dalambe ataon'ny legalista. Mazava loatra fa nahomby tamin'izay nokendreny ho tohin'ny tantara izay nandefa io grenady tamin'ny tobin-dasantsy io. Vinavinako izany saingy tsy maintsy araka ny fizotran'ny raharaha tsinona.


Tonga ny Asabotsy, tsy nanambara ampahibemaso ny fanovana ny zavatra tian-katao ny mpitarika legalista, gazety iray nivoaka io andro io no mba nahitako fa tsy hihetsika eo Behoririka indray ny tolona ho fitandroana ny ain'ny olona. Tsy nilazana na inona na inona ny tany amin'ny fampitam-baovao fanarahan'ny mpandala ny ara-dalàna. Inona no dikan'izany? Na dia be aza ireo nanam-pikasana ny hivory io andron'ny Asabotsy io dia efa voky baomba manempotra izy ireo ka tsy hitonantonana eny Ambohijatovo izany. Vokany: Vitsy tsy araka ny nanampoizana azy ny isan'ny olona tonga teny Behoririka. Na ireo mpandeha amin'ny tolona azy dia naleony nanao zavatra hafa. Izay ve no tanjona tao amin'ireo mpitarika efa mpamadika eo imasoko ireo? Dia manahy sahady aho fa dia haveriny indray io fahadisoana niniana io fa amin'ny Asabotsy ho avy izao vao ho eny Ambohijatovo amin'izay. Dia ireo lazaina ho tanora tsy haiko hoe avy aiza ireo tsy mankasitraka ilay tsy fidinana an-dalambe... Hery tsy mitovy ve dia mbola hanao inona ihany sa voakarama hanakorontana rehefa misy ilay tahaka izay?


Miala tsiny aho raha manakiana ampahibemaso ny mpitarika ny tolona legalista satria be loatra ny fahadisoana ataon'izy ireo ary iniana ireny fahadisoana ireny amiko. Amiko dia misy ireo tsy menatry ny handainga rehefa mikabary amin'izy ireo: Lazaina fa efa vonona ao Ambohitsorohitra ny lalampanorenana vaovao mametraka an'i Madagasikara ho Departemanta Frantsay... tena fanimbazimbana ny tolona ataon'ny legalista ho fampielezana tsaho ny filazana tahaka izany. Ajanony ny fanaovana tsahotsaho fa itondray porofo mazava ny olona, mahatonga ireo hafa hieritreritra hoe mba vendrana koa ireo legalista ireto manaiky fahanana abobo tahaka izany. Fandrangitana ny olona mba hanao inona moa ny fanambarana zavatra tahaka izany? Rehefa tolona mandala ny filaminana no atao dia tohizo amin'izany fa aza manaiky hobaikobaikoan'ny sasany hivoaka ny vala mandrakariva. Na dia maro aza ny zavatra tiako hosoratana toy ilay "tsy fanonganam-panjakana" dia hatreo ihany aloha ny soratana. 


Aoka handinika ny tsirairay fa dia misy mihitsy ny manao zinona ny tolon'ny legalista ary avy ao anatiny mihitsy sady lohandohany ireo mamily ny tolon'ny mpandala ny ara-dalàna ho lasa tsinontsinona sy tsy mikendry afa-tsy ny hahatezitra ireo mafana fo mbola tsy kivy hatramin'izao na dia efa herintaona mahery aza izay ny nanaovana ny tolona. Deraina kosa aloha ireo olona ireo amin'ny fikirizany.



Jentilisa, alahady 18 avrily amin'ny 01:05 maraina


PS: efa mivoaka an-tserasera izao ny gazety Tia Tanindrazana mpivoaka eto Madagasikara koa dia tsiditsidiho ihany na dia tsy ahitana ireo sariitatra tena manintona ny besinimaro eto an-toerana aza.

Hilaza izay tsy voalaza any an-kafa

2010-04-08 @ 11:08 in Politika

Na dia eto an-tserasera mandrakariva aza ny tena dia mihavitsy ihany ny soratra vitan'ny tena. Tsy haiko loatra hoe mihalefy ve ny fitiavan-kanoratra sa variana mitazana indray. Eto indray angaha ny fotoana hanamarihana izay tsy voalaza any an-kafa any nefa heveriko fa tsara fantarin'ny Malagasy manerantany ihany. Mety ho efa nisy ny nilaza saingy tsy nandalo ny masoko loatra nefa aleo soratana mba ho vavolombelon'ny tantara ihany.


Niova loko ny fitoeram-pako

Satria moa loko maodelin'ny fitondrana nanongam-panjakana ankehitriny ny lokon'ny dabam-pako fahita mahazatra teto Antananarivo sady natao ho loko maodelin'ny tolona nataony tamin'ny taona 2009 rahateo dia novana ho lokon'ny gazetin'ny mpitondra teo aloha sady somary mandravaka ny lokon'ny gazety tia tanindrazana ankehitriny indray ny lokon'ireny toeram-pako ireny. Saiky misy itovizana amin'ny lokon'ny fiarakaretsak'Antananarivo moa izany loko izany fa ny an'ny fiarakaresaka nasiana "'crême" fotsiny.

Heverina fa hanova zavatra sy fisainana angaha izany fanovana ny lokon'ny fitoeram-pako sy fanariam-pako izany satria efa nisy rahateo ny nanadrohadro io loko nosoloina io hitovy laharana amin'ny fako. Tsy reko nisy nilaza loatra io fa anjaran'ny eto an-toerana ny manamarika azy avy eo. Tsy manana fakantsary intsony moa ny tena ka dia ny mitantara am-bava no mba vita.


Ny lokon'ny TGV no nandravaka ny HMF

Raha halavaina kokoa dia ny lokon'ny mpitondra ankehitriny no nenti-nandravaka ny kianjan'Alarobia nanatontosana ny fotoam-pivavahana notarihan'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana. Ny sary no maneho fa tsy sahy miteny ny maro fandrao manko mahatafintohina ny hafa izay tsy nahatsikaritra izany. Natao mibaribary tamin'ny kianja ny loko laoranjy sy ny loko manga antitra an'ny TGV araka ny efa nolazaiko teo aloha ankoatra ny loko fotsy efa fahita mahazatra amin'ny hetsiky ny mpitondra fivavahana.


Somary gaga ihany manko ny tena raha nandre fa ny Kaominina Antananarivo renivohitra mihitsy no nanolo-tena hikarakara ny sehatra fitenenan'ny Mpitarika sy ny mpitoriteny... hay hametraka ilay loko no nahamaika, tena miankina amin'ny loko ve ny fitondrana ankehitriny? 


Tsy hita nanjavonana ny PHAT


Hatramin'ny Asabotsy niaingany ho any amin'ny toerana tsy fantatro dia tsy hita ampahibemaso loatra ny PHAT. Ny fiara fotsiny no mody mirimorimo toy ireny hanjakazaka ireny fa ilay olona ao anatiny arovana tsy hita akory. Somary nahavariana ihany koa manko raha lazaina ho filankevitry ny Minisitra no praiminisitra no nitarika azy. Tsy dia fahita loatra na izaho no tsy nahatsikaritra. Ny filankevitry ny governemanta manko no tarihan'ny praiminisitra fa tsy izany filankevitry ny Minisitra izany, saingy ao anatin'ny tsy ankiteniteny avokoa moa izany. Mampanontany tena ihany manko raha fanendrena ny Praiminisitra ho minisitry ny foloalindahy no atao ao anatin'ny filankevitra tsy nahitana izay misy ny PHAT.

Tapaka ny aingam-panahy fa tapaka ny jiro ka ireo aloha no atolotra fa amin'ny manaraka indray. Nosoratako halina fa izao vao tafavoaka.



Jentilisa 08 avrily 2010 amin'ny 13:11



Mitafy henatra?

2010-03-31 @ 10:43 in Politika

Elaela no tsy nanoratra ny tena. Niniana ihany rehefa nodinihana na dia mety ho nisy aza ny fahakamoana. Ankatoky ny herintaona nandrombaham-pahefana indrindra izany fotoana nanoratana farany izany. Sorena ny tena tamin'izany fotoana izany, noho ny filazan'ny mpitarika hoe hofaranana ny tolona, ary dia karazan'ny nofaranan-dry zareo tokoa tamin'io tsingerintaon' io fandrombaham-pahefana io. Efa miharihary izao fa tsy maintsy hisedra baomba manempotra raha vao miditra an-dalambe izany fa dia natao ihany. Raha mitarika ireo olona ry zareo leoko ihany fa dia tsy hitahita satria matahotra ny hosamborina angamba. Olona iray ihany no mahasahisahy vinany... dia ilay tsy tian-dry zareo hosamborina satria tsy misy dikany na dia mba mpitarika ao amin'ny mpandala ny ara-dalàna ihany aza. Fa hisy aloha ny fihomehezana raha hisy ihany ny fisamborana azy...


Tsy manana paika atokona intsony ve ireo mpitarika ny mpandala ny ara-dalàna? Eo amin'ny lafiny toe-tsaina rehefa ny zavatra no niorina herintaona dia karazan'ny tafajoro tsara izy na misy aza ny manelingelina. Fahadisoana ny tsy mba hihainoan-dry zareo mihitsy ny tolo-kevitry ny olo-tsotra hoe ataovy isan-kerinadro io tolona io fa lavitr'ezaka ny tolona mitandro ny filaminana fa dia nosisihana notontosaina isan'andro ihany, tsiniako ao anatin'izany ihany koa ny filoha Ravalomanana iray amin'ny nandrisika izany tolona isan'andro izany ka nahatonga ny tsikera hoe tena tsy mahalala ny zava-misy aty an-toerana marina fa an-tsesintany.


Tsingerina tsy nankalazaina

Eo ankilan'izay, na dia feno herintaona nitondrana aza ry zalahy dia tsy afa-nankalaza azy tamim-pilaminana sy firavoravoana kosa. Ny hany nitatatata dia ny radiom-pirenena sy ny teleizionam-panjakana, nefa propagandy famerimberenana mandrakariva ny hoe nametra-pialana fa tsy naongana no hany niverimberina tanaty fifanazavana. Tsy nandrenesana akony kosa (na tsy nandrenesako no marina kokoa) ny nataon-dry zareo tany an-takonana any, ho fiarahana tamin'ny mpanohana azy ireo. Ninia nidina an-dalambe ihany koa tsinona ireo mpikatroka tamin'ny tolon'ny ara-dalàna na dia fantany izao aza fa "tsy hahomby" ny zavatra ataony... izany hoe ho ravan'ny mpitandro ny filaminana ny hetsika. Ny zavatra iray tena niavaka nandritra ny herinandro nisian'izay fidinana an-dalambe tsy nisy mpitarika izay dia ny tsy nisian'ny tora-bato na herisetra mihitsy avy amin'ny mpandala ny ara-dalàna. 


Mila fanazavana kely ity: nisy ny filazana fa nisy polisy nodarohan'ny mpanao fihetsiketsehana, gazety iray no nanitrikitrika satria nahita imaso mivantana, gazety Taratra io, fa nanao lozam-pifamoivoizana tamin'ny scooter nentiny io polisy naratra mafy nolazaina fa nodarohan'ny mpanao fihetsiketsehana io. Na dia nilaza aza ny gazety hafa hoe novonoina io, ary nanaovan'ny fitondrana fampielezan-kevitra izany, dia tsy nivena tamin'izay nolazainy kosa ny tao amin'ny gazety Taratra. Toa tsy mba nisy nanamarika io toe-javatra iray io. Faharoa, raha nisy fisamborana olona tamin'ny andro voalohany noho ny fananganana barazy nataon'izy ireo. Rehefa natao ny famotorana dia "mpitsikilon'i Alain Ramaroson" no navaliny ireo mpanao famotorana, araka ny tatitra nataon'ny gazety ihany. Taorian'izay dia tsy nolazaina intsony ny tohin'ny fanadihadiana... Navotsotra daholo angamba ry zalahy? Io no tsy itsaharako mandrakariva ilazako fa misy olona misovoka mandrakariva any anatin'ny mpitolona any. Ny fisamborana hafa tamin'ny andro hafa nalaza moa dia momba an'i Solohery Hilaire mivady sady miaraka amin'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana no mpikatroka ao amin'ny MFM ihany koa (kasikety roa).


Dia tonga ny 29 marsa 2010

Noheverina ho rava tanteraka ny tolon'ny mpandala ny ara-dalàna rehefa nosesefana baomba manempotra isan'andro isaky ny mivorivory an-dalambe. Noheverina fa hangina tsy hiloa-bava, sady tsy hanelingelina intsony ny asan'ny mpanongam-panjakana, ireo nampanginina sy nampitahorina isan'andro. Kanjo mbola nijoro hatrany ireo reny nifamotoana teny Ambohijatovo. Efa fantatra ihany ny fanao amin'ny fotoana tahaka itony nefa dia amin'izay indrindra no anehoana ho hitan'ny rehetra ny nokobonin'ny sasany nandritra ny fotoana nampanginana azy tamin'ny famoretana izany. Nampisongadina azy rahateo ny fitafiana fotsy sy ny voninkazo nanamarika mandrakariva ny hetsika an-dalambe fanaony. Tsy azo nampanginina kosa ry zareo teto sady ho sarotra ny hampangina azy teto Ambohijatovo.


Rehefa nihirahira teo ireo vehivavy mpandala ny ara-dalàna dia avy kosa ry mpiambina maimai-poana ny kianjan'ny 13 mey sy Analakely ary Antaninarenina ho takalon'ny fahazoan'izy ireo matory eny amin'ny toerana azon'izy ireo atoriana nanatona sy nifanasa vava tamin'ireo vehivavy efa naka ny toerany teo andrefana somary atsimon'ny kianjan'Ambohijatovo. Mandeha ny fifampikasokasohana sy ny filana ady. Ny tanjona tao anatin'izany paika izany moa dia ny hikisahan'ny vehivavy mpandala ny ara-dalàna ka ry zareo mpiambina ny kianja 13 mey, tsy dia misolo akanjo loatra, ihany no hanotrona izay misy eo amin'ny kianjan'Ambohijatovo, na ny marina kokoa eo amin'ny tsangambato. Tsy zakan'ny tovolahy mpandala ny ara-dalàna ny karazana fanositosehana ny reniny sy ny anabaviny ka dia nidaroka amin'izay ry zalahy. Fo ranomafana io! Misy ny fahadisoana saingy fiarovan-tena ihany koa io no sady fakana vahana amin'ny toerana ijoroana. Tafampita nanakaiky kokoa ny fiandrasana fiara fitateram-bahoaka ny mpandala ny ara-dalàna. Nikisaka nankeny atsinanan'ny mpivaro-boky Ambohijatovo kosa ireo mafana fo tamin'ny mpanohana ny TGV.


Fantatra tsara fa tsy ho afaka hanao na inona na inona eo Ambohijatovo mihitsy ny mpitandro ny filaminana raha mbola misy lanonana tsy natomboka teo. Sady tsy ho afaka ny hisambotra izy no tsy ho afaka handefa baomba manempotra raha tsy tiana hivadika zavatra hafa ny raharaha. Noho izany, ny misoroka izay mety ho fihoaram-pefy ihany no sisa atao. Raha toy izany hatrany no ataon'ny mpitandro ny filaminana rehefa misy ny hetsika an-dalambe dia mahazo voninahitra izy, saingy eto moa lanonana no atrehina ka izay vao fantany ny tokony hatao, fa rehefa tsy hisy ny lanonana fa misy ny fidinana an-dalambe dia  ravana amin'ny baomba avy hatrany... na tsy nisy mihitsy aza ny filazana ny firenena ho latsaka an-katerena, hanaovana fanapahan-kevitra tahaka izany.


Samy nanana ny toerany araka ny firehan-keviny noho izany ny olona teo Ambohijatovo tamin'ity andro ity. Ny mpanohana ny TGV saiky ny ilany somary atsinanan'ny tsangambato no misy zy ireo. Ny ilany andrefana kosa an'ny mpandala ny ara-dalàna. Misy fifanakaikezana ratsy dia ratsy ihany eo amin'ny roa tonta na izany aza! 


Tsy maintsy nisy ny fandaminana niova

Noho ny horakoraka nataon'ny mpandala ny ara-dalàna, sy ny fifandrangitana nifanaovany tamin'ny kolonely Baomba dia sahirana tokoa ny mpandamina sy ny mpitandro ny filaminana. Teto ny Kolonely baomba izany no tsy afa-nisambotra ny mpanakorontana, rehefa tafiditra ao anaty fanakorontanana ny fitabatabam-panoherana tsy manaiky ireo lazaina ho ofisialy ho mpitondra; fa voasazy ireo aminy. Raha tokony hatrety amin'ny ilany andrefana no nidiran'ny PHAT tamin'ny karipetra mena dia voatery natodika tany avaratra somary atsinanana misy ireo mafana fo amin'ny TGV kosa izany. Heverin'ny mpandala ny ara-dalàna ho fandresena ho azy sahady izany ka nampisy horaka teo amin-dry zareo. Nahatafiditra baolina izy ireo izany.


Manaraka izany, lasa natao karazana fefy faharoa manampy ny mpitandro ny filaminana ireo fiaran'ny manampahefana isan-karazany ka nanaratsy endrika ny lanonana sy ny toerana. Natao tsara ambina ireo manampahefana, ary nihataka lavitra ny ilany andrefana izy ireo fandrao tratran'ny tora-bato. Io tora-bato io tsy voatery ho avy amin'ny olona eritreretinao fa saintsaino ihany fitantarana nataoko ery ambony rehefa tratra ireo nanakan-dalana teny Anosy ny andron'ny 16 marsa 2010. Tsy voatery ho natahotra avokoa ireo manam-pahefana fa misy koa ny nandranitra, tahaka an'Atoa Organes minisitry ny filaminana anatiny izay vantany vao niala ny fiarany dia nisosososo teny amin'ny mpandala ny ara-dalàna no nanao ny marika V. Fireharehana ihany koa ny azy eto.


Vetivety monja dia vita ny fotoana rehetra, folo minitra raha ela indrindra. Noho ny hafanam-po dia saiky voahoraka hatramin'ny hiram-pirenena, saingy tonga saina ihany angaha ny mpandala ny ara-dalàna ka somary nangina teo. Ny ankoatra izay kosa dia tsy nijanona intsony ny horaka sy ny kiakiaka nampikorontana tanteraka ny lanonana.


Fahafaham-baraka ve?

Tsy maintsy izay no ambetin-teny raha nahita ny toe-javatra. Ireo mpomba ny TGV raha nahita ny hafanampon'ny ara-dalàna dia nifampilaza hoe izay no nanakaramana azy ireo. Ny mpandala ny ara-dalàna kosa raha nahita ny fahasahisahian'ny TGV (tokoa ve raha ireo mpangataka manaraka anao eran'ny tsena avokoa izy ireo?) nihantsy ady tamin'ny vehivavy legalista dia nihevitra ireo mpangataka ireo ho nokaramaina ihany koa. Misy tamin'ireo nahita ny fahasahian'ny legalista no nilaza fa vao vita ny lanonana dia ho avy amin'izay ny fandraofana ireo sahisahy maty ireo. Misy ny tena lotika mihitsy ny fo. Zava-misy sy hitako teny an-toerana ireo. Noho izany, maromaro ihany koa ireo niala raha vao vita fanoloram-bonikazon'ny ofisialy sao izay vao tena raikitra amin'izay ny gidragidra. Mazava loatra fa nofaranana tamin'ny baomba manempotra indray ity lanonana ity fa tsy teny Ambohijatovo fa efa teny anoloan'ny lapan'ny tanàna. Mbola voninahitra ho an'ny mpandala ny ara-dalàna ihany izany nandarohana baomba azy ireo izany satria ry zareo ihany no nikendrena.


Soa ihany fa nisy iny fiara nitondra fanamafisam-peo iny nanala ny olona teo Ambohijatovo mba nisorohana izay mety mbola ho fifandonana tsy nampoizina. Tsy vao izao tsy akory ny nisiana lanonana voaelingelina tahaka izao fa efa nisy koa ny fotoam-panokafana ny antenimieram-pirenena nandritra ny taompolo 1990 no niharan'izany horakoraka izany. Tanjona ny handrenesan'ny any ivelan'Antananarivo rehetra any, manerana an'i Madagasikara, fa mbola mahatafita hafatra hatrany ny mpandala ny ara-dalàna na dia efa nogiazana aza ny feony. Rehefa namory mpanao gazety ry zareo hanamelohana ny zava-misy dia tratra teo amin'ny maharary azy ihany izany ireto tsy mety laitran'ny fanasaziana avy any ivelany ireto.


Ilay resaka voninkazo nopotehina, ahoana ny amin'io?

Satria manko samy mihevitra ny andaniny fa tena tsy tia tanindrazana mihitsy ny ankilany, dia tahaka izany ihany koa ny sain'ny ankilany mihevitra ny andaniny. Izay rehetra ataon'ny iray dia toherin'ny iray hafa, tonga hatramin'ny fanazimbazimbana aza. Dia ireo voninkazo ireo no amantarana fa tena efa mihalalina tanteraka ny hantsana eo amin'ny andaniny sy ny ankilany. Noho ny tsy fanekena hiara-mitantana ny firenena mandra-pisian'ny fifidianana hahalalana izay voafidim-bahoaka tokoa dia tsy maintsy ny fifandrafesana no manjaka. Raha tsy nomena toerana na aiza na aiza mihitsy ny fanehoan-kevitra dia tsy maintsy imasom-bahoaka sy hitan'izao tontolo izao no ivoahan'ny tsy fetezan-javatra misy eto madagasikara. Tena fihoaram-pefy tokoa ny nataon'ny sasany tamin'ny famotehana voninkazo fahatsiarovana izay mora malazo sy mora simba ihany koa saingy endriky ny fahapotehan'ny fihavanana eo amin'ny samy Malagasy iny. Endriky ny fahapotehan'ny soatoavina Malagasy mora potika sy malazo ihany koa rehefa tsy nokolokoloina.


Tsy vahaolana velively ny fifampiangana sy fifanilihana andraikitra tamin'iny toe-java-nitranga teny Ambohijatovo iny fa samy tompon'andraikitra avokoa ny Malagasy rehetra na ny mpiandany safobemantsina rehetra, na ireo milaza ny tenany na amin'iza na iza indrindra fa ireo izay mihalangalana milaza ho tsy miditra amin'ny raharaha politika.



Jentilisa, 31 marsa 2010 amin'ny 02:37
 
 
 
 

Hidinika mankaiza?

2010-02-25 @ 22:53 in Politika

Eto ampanombohana aho dia mankasitraka indrindra ireo Malagasy any ampitan-dranomasina tsy sasatra mihitsy ny manadihady sy miady hevitra amin'ny zavamisy eto Madagasikara. Ianareo amin'ny ankapobeny no toy ny mpanetsika anay mpikatroka aty an-tanindrazana mety ho valaka indraindray mahita ny heverina ho tsy firaharahiana ataon'ny sarambamben'ny olona. Raha in-telo andro misesy izay Atoa Ravalomanana no niantso tamin'ny finday ho ren'ny mpandala ny ara-dalàna (ny satan'ny maputo sy ny tovana tany Addis Abeba) dia torohevitra ankolaka izany ilazana fa aty an-tanindrazana indray izao no tokony ho kianja ifaninanana sy ezahina fehezina ao anatin'ny herinandro vitsivitsy. Raha tarafina manko dia tahaka ireny hoe matoky tena ireny ny mpifehy ny fahefana amin'izao fotoana izao ary tahaka ireny hoe efa roso ity tsa mimpody intsony, dia resaka saikolojia no tena ambadika ary tsy tokony ho lavon'izany ny aty amin'ny mpandala ny ara-dalàna eto an-tanindrazana.

Tsikaritra

Eny amin'iny faritra Andavamamba iny manoloana indrindra ny fiangonana ara-pilazantsara dia misy irony takelaby be velarana fametrahana dokambarotra irony. Ny tonga dia misongadina amin'ity takelaby ity moa dia ny famantarana ny repoblika malagasy mivolombolamena ahitana ny sarina ravinala, sy lohan'omby. Dia voasoratra tsara fa hoe averina amin'ny vahoaka masi-mandidy ny fahefana... tsy tena tadidiko intsony ny tohiny fa mifanahatahaka amin'ny hoe amin'ny fanaovana fifidianana solombavambahoaka. Dia lasa ny saiko...Eken'ny mpitana ny fahefana ankehitriny ve raha misy olona na vondron'olona mametaka ny heviny amin'ireny takelaby fandoavam-bola ireny koa manao hoe Arosoy ary ny fifidianana filoham-pirenena hitsapana ny fitiavan'ny olona anao? Raha tena sahy izy dia izay idirana fa be no ho faly amin'ny ankolafy rehetra sy ny ivelan'ny ankolafy.


Hiantso hiresaka hoe?

Tena zavatra mahafinaritra indray izany hoe mandre teny avy amin'ny lohan'ny mpitana ny fahefana miantso indray hifampidinika indray, eny fa na dia tsy noraharahiana aza izay efa nifampidinihana sy nanaovana sonia mihitsy tamin'ny herintaona. Saingy aoka tsy hofitapitahana ka hoe ny hanatontosana ny fifidianana no hanaovana izany fifampidinihana izany, tena andrasana mihitsy anie ilay fifidianana fa mba iarahana manatontosa ny fanantanterahana azy e! Ny dikan'ny fiaraha-mitantana efa nifampizarana, ary tsy mbola nandramana akory dia lazaina sahady fa tsy nahomby, dia ny hahamarin-toerana izany fifidianana izany. Noho izany, efa vita avokoa ny dinika mankamin'izany fifidianana izany ka tsy ilàna fifampidinihana indray... ny fandrafetana ilay rafitra iraisana efa nifanarahana tany Maputo sy Addis Abeba izay hofaranana amin'ny karazam-pifidianana no efa vokatry ny dinika... fa ny fanatanterahana azy sisa... dia io mbola mampikatso ny zava-drehetra io izao.    


Resaka radio eto amin'ny tanàna

Rehefa misy ny resaky ny radio anankiray milaza fa niteny izao hoe na niteny izaroa ny radio iray hafa izay mifanohitra firehana aminy indrindra indrindra dia vaovao diso tanteraka izay no lazainy fa nambaran'io radio mifanohitra firehana aminy io ary ao anatin'ny famafazan-dainga sy ny fiampangana lainga izy izay. Hahatsotra ny resaka, tsy ilaina manonona ny anaran'ny radio fahazavana ny radio antsiva sy ny radio viva, dia tahaka izany ihany koa tsy ilaina manonona ny anaran'ny radio viva na/sy ny radio antsiva ny radio fahazavana. Miala tsiny fa misy radiom-piangonana moa voatonona... ary fantatro tsara fa tsy milaza izay lazain'ny radio hafa mihitsy ny iray amin'ireo radio ireo nefa misy kosa ny tsy mitsahatra ny mamelively ny radio hafa. Fehiny: raha misy izany radio na televiziona iray miteny hoe izao no lazain'ny radio na tele izao na hoe izao no re tamin'ny resaka nifanaovan'ny mpanao gazetin'i ... tamin'ny mpanao politika ranona... nefa ireo teneniny ireo dia mifanohitra firehana aminy dia mahimahiana fa mety hisy lainga ao anatin'izay. Ny tena mampanahy aza, araka ny notakariko tao amin'ny paikady miaramila maoderina nadikako vao tsy ela tao amin'ny Global Voices Online teny malagasy, dia paika entina handrisihana ny olona hanao "valifaty" mialoha ka manosika azy hanao ny tsy mety toy ny fandrobana fananan'olona, famonoana na fandratrana olona ahafahana mangeja tanteraka ny olon-drehetra no ao ambadik'ireny famafazana lainga fampiadiana olona ireny.

Farany,

Asa raha tsikaritrareo fa toa kamokamo izay ihany ny tena manoratra etoana fa satria moa aty an-tanindrazana indray izao no sehatra dia aleo tairina ny rehetra, saingy tsy ho amina fanaovana herisetra eo amin'ny samy olona na oviana na oviana.


Jentilisa 26 febroary 2010 amin'ny 01:01 eto Antananarivo




 

Ny zoko tsy hitovy hevitra aminao

2010-02-06 @ 11:14 in Politika

Efa ela aho no te-hanoratra ho anareo saingy sampona mahazo ny fahakamoana hampita ny hevitra indraindray. Mbola ao anaty krizy koa angaha hany ka raha manana hevitra tsy iraisana amin'ny besinimaro loatra dia heverina ho mpamadika avy hatrany. Efa zatra ny nanoratra ny hevitro aho ka mitandro hatrany ny fahafahako miteny amin'ny alalan'ny bolongana angaha. Be ihany ny hevitro no toa notanterahina ihany am-bolana manaraka. Tojo firehana misedra na mifanohitra ny an'ny besinimaro indray ny tena ankehitriny... nefa tsy ataoko ho sakana velively raha hifanohitra izay mety ho hevitrareo ny soratako etoana.

Izay no ela fa dia atao toy ny donak'afon'Analakely izy ity ka avy hatrany dia any am-bovonana. Mpitandro ny fandriampahalemana araka izay fetran'ny azo atao aho, efa tsinjonareo amin'ny fomba fanoratro ihany. Tsy te-hahita olo-tsotra tra-boina toy izay nitranga tamin'ny 7 febroary 2009 intsony aho... ka hoe tsy raharahiana intsony ny ain'olona noho ny fitiavam-pahefana sy voninahitra ary seza, na an'iza izany na an'iza. Mazava loatra aho raha nankasitraka ny Loa-bary an-dasy notanterahina tetsy amin'ny Carlton Anosy tamin'ny fiandohan'ity volana ity. Fitadiavam-bahaolana  hanerena ny ankolafy efatra hifampidinika hampandeha ny tetezamita hizorana amin'ny Repoblika tsy misy ra mandriaka intsony no atao, raha mbola azo atao ihany koa izany. Nahoana no andrandraina ny hiavian'ny tafika vahiny raha mba mety ho voavaha eto an-toerana ihany ny olana? Saingy maro loatra no tsy te-hahalala intsony izay fitadiavam-bahaolana avy amina Malagasy... ary lazaiko indrindra ny mpanao politika avy amin'ny ankolafy efatra mihitsy ka tsy niraharaha izay antso ho amina fifampidinihana izay.

Fijeriko dia te-hijoro ho toy ny "ray aman-dreny" te-ho ambonin'ny fironana misy tokoa Atoa Fetison Rakoto Andrinirina, raha nandray iny fanapahan-kevitra iny, ary mametraka fa mendrika azy tokoa ny nanendrena azy ho filoha mpiara-mitantana, izay nanasa na dia ireo mpifanandrina aminy ara-politika aza. Lalana nankany amin'ny tetezamita iraisana tokoa no nokasainy, saingy ny omby indray mandry moa tsy indray mifoha. Tsy nahay nanararaotra iny fotoana tokana nampananontanona ny fahitana vahaolana iny ny ankamaroan'ny mpanao politika malagasy fa nifampibaiko tsy hisy hahazo manatrika ny fotoana sy ny filazana fa tsy manaiky ny hanatontosana iny hoe ny lehibe no naverimberina. Tsy nisy nandre mivantana izany baiko izany ka manahirana ny mieritreritra azy. Atao ahoana moa fa dia izay izany no izy. Noho izaho mpandala ny tsy fampiasana herisetra dia tsara amiko ny fanapahan-kevitra toy ireny fa tsy manao toy ny rafotsibe very laona ka hiandry izay igadonany. Tsy vahaolana mihitsy ny tsy fandraisana andraikitra. Hatreo ihany aloha.




Jentilisa, 06 febroary 2010 amin'ny 13:19


Ny fandrika natao tamin ny tolona...

2010-01-20 @ 22:49 in Politika

Misy tohiny ny lohateny fa averiko tsara indray mandeha: "Ny fandrika natao tamin'ny tolona indray no mety hahatafavoaka azy!" Toa hafahafa ihany  ilay lohateny saingy taratra avy amin'ny zavatra notantaraina tamiko ny 20 janoary 2010 no nahatonga ahy hametraka io lohateny io. Tolona ataon'ny ankolafy telo no lazaiko eto fa tsy ny an'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana.


Fiantsoana ho eny an-dalambe

Nanomboka tamin'ny Asabotsy teo dia eny Anosy indray no hanatanterahan'ny ankolafy telo ny fihetsiketsehana izay ataony. Azo lazaina fa tsara fanombohana sady nahagaga indrindra io fotoana io satria tsy noravana tamin'ny alalan'ny baomba mandatsa-dranomaso io fivoriana an-dalambe io. Ny niantsoana ny olona moa dia ny hoe hametraka ny mpikambana ao amin'ny parlemanta etsy Anosy. Fomba nenti-niantso io fa efa nazavazava ihany fa eny no hamoriana ny olona rehefa tsy ho eny Ankorondrano anatin'ny kianjan'ny ara-dalàna intsony. Tsy hisy velively izany fametrahana mpikambana izany fa fiomanana ny fahatongavan'ny mpanelanelana avy any ivelany amin'ity herinandro ity no tanjona voalohany. Malalaka sady be toerana azo ivoriana eny ka azo atao tsara ny mifindrafindra.


Fisovohan'ny mpanakorontana

Hatramin'ny andron'ny Asabotsy io indrindra dia nanomboka ny nataony ihany koa ny mpanakorontana izay mazava loatra fa manaraka ny baiko hanapotehana amin'ny fomba rehetra ny tolona sy ny fanasoketana azy. Azo heverina ho olona tsy voafehy ihany koa izy ireo saingy ny zavatra efa hitako no tsy dia maharesy lahatra ahy ka milaza fa manana "atidoha" manakarama mihitsy izy ireo. Tsikaritra voalohany, hariva amin'ny enina hariva, izany hoe efa lasa adiny iray raha haingana indrindra ny mpitolona teny vao nanomboka ny fanendahana vahiny Eoropeana sy ny fitorahana fiara nataon-dry zalahy ireo. Efa taratara angaha ny baiko sy ny fanangonana an-dry zalahy ka izay vao nanaomboka ny "action" ry zalahy.

Ny andro manaraka kosa, ny alatsinainy io, dia efa tonga alohaloha sy nifangaroharo tamin'ny tena mpitolona amin'izay ry zalahy ka dia manana fotoana hanasoketana tsara ny mpitolona saingy mbola vitsy moa ka tsy voamarika loatra. Nahavariana tamin'io alatsinainy io fa na dia efa feno miaramila aza ny toerana nivoriana farany dia mbola afa-nanao ny fihetsiketsehana sy ny kabary teo ihany ny mpitarika rehefa tonga ny tolakandro. Nitombo avo roa heny noho ny Asabotsy ny hamaroan'ny mpitandro ny filaminana saingy tsy nahoan'ny olona izany. Nihanitsiry ny fanantenan'ny olona fa misy zavatra mitranga matoa tsy sahy nanapoka baomba mandatsa-dranomaso ihany ny mpitandro ny filaminana teo.

Ny andro fahatelo, mpitandro ny filaminana 15 kamiao be izao miampy ireo anaty fiara tsy mataho-dalana sy fiara avy amin'ny sampana manokana (FIS) no nanemitra ny toerana. Nihabetsaka ny olona nandrangitra azy ireo amin'ny fitaovam-piadiana eny ampelatanany indrindra fa ny mpampiasa lalana noho ny fibahambahanan-dry zareo na fiedinedin'izy ireo eny afovoan'arabe. Hay efa vonona avokoa ny ekipa sy ny teknikam-pandravana ny tolona. Tany amin'ny toerana nivorivorian'ny vehivavy no nandefasan-dry zalahy ny baomba mandatsa-dranomaso iray dia raikitra amin'izay ny famotehana ny fananana iombonana teny amin'ny manodidina ka ny nivandravandra voalohany indrindra dia ny fandravana ireo sezavato teo amin'ny zaridainan'i Mahamasina. Tetika efa vita omana ireny ary olona efa voaomana no nanao azy. Ny fahadisoana nataon'ny mpitolona dia ny tsy nandrara ireo olona ireo fa namela fotsiny amin'izao. Io sy ny toratora-bato natao no nahafahan'ny mpitandro ny filaminana nandrava amin'izay ny tolona. Ny tetika ambadik'izay dia ny tsy hampazoto intsony ireo izay mbola mpankeny Anosy-mahamasina. Manginy fotsiny moa ny fahitana fa tena niova mihitsy ireo karazan'olona mandrafitra ny ankamaroan'ny mpitolona fa tsy mitovitovy intsony tamin'izay teny amin'ny kiaanjan'ny ara-dalàna Ankorondrano.


By the river on Babylone

Noheverina amin'izay fa ho lao tsy hazoto intsony ny mpitolona ny andro fahaefatra, izany hoe olona vitsivitsy tsy manaiky lembenana nefa tsy ho afa-maneho ny heviny ankahalalahana intsony no sisa ho tazana eny amin'ny manodidina an'Anosy sy Mahamasina. Nahomby tamin'ny ampahany ihany izany tetika izany fa nisy olona nanana aingam-panahy tamin'ireo tsy nanaiky lembenana ireo. Lasa nihirahira indray ny olona ka ny hiram-pivavahana (Be indray no tsy hahazaka ny filazana izany) sy ny hiram-pitiavan-tanindrazana ary ny hiram-pampihavanana toy ny "Mifankativa ihany" no nanakoako tamin'iny toerana iny. Tsaroako ilay hira malaza nataon'ny tarika Boney M fahiny, izay notsilovina avy amin'ny Fitarainan'ny Jiosy natao sesintany tany Babylona voasoratra ao amin'ny baiboly (Jeremia), rehefa reko tamin'ny Radio Fahazavana ny akony. Tsy miteny ny hamaroan'ny olona mihitsy aho eto fa ny fahasahiana nataon'izy ireo kosa. Tsy voatery hoe niara- nivorivory  nifanizina tamin'ny toerana iray ireo mpihira fa niparitaka teny rehetra teny. Tsy nisy intsony ny fihantsiana ny miaramila nefa tafala tanteraka ihany koa ny tahotra ireo mampideradera fitaovam-piadiana. Nitsimoka tsikelikely tokoa ilay hoe ny Hery tsy mahaleo ny fanahy. Lasa nihatakataka indray ireo mpitandro ny filaminana efa nanatomotra dia nanatomotra teo, tsy hitany izay tokony atao. Izany no tolona ampilaminana !

Raha nandinika izany rehetra izany aho dia tonga ho azy tamin'ny fieritreretana fa hifindra lasy manoloana ny Carlton amin'izay ny mpitolona "hampiseho" amin'ny vahiny ny heviny. Efa hain'ny olona ny mifindrafindra toerana ka tsy hananosarotra ho azy ireo ny hankeny. Hay moa ka nisy antso nataon'ny mpihaino ny Radio Fahazavana iray nanao izay fanentanana izay ihany koa. Be hoaho ny mitovitovy sainina ny olona ka azo inoana fa mahafantatra avy hatrany ny tokony hataony ny tsirairay. Dia samy hanara-baovao isika hahafantatra izay mitranga amin'ity tontolo andron'ny Alakamisy 21 janoary ity.


Jentilisa, alakamisy 21 janoary 2010 amin'ny 00:55


Sambatra ianareo miaramila fa tambatambazana hatrany

2009-12-11 @ 23:17 in Politika

Fanamarihana voalohany, dia arahabaina izany ny miaramila fa nisondrotra indray ny karaman'izy ireo tamin'ity volana desambra ity. Mbola anaty krizy ihany ny firenena fa tsy mahalala izany ianareo. Efa nampanantenaina anareo manko, hono, nyhampakarana avo dia avo ny karamanareo koa dia tontosa izy ankehitriny. Hita tokoa fa nandray anjara mavitrika tamin'ny tolona ianareo ka dia azonareo ny valin- kasasaranareo. Heveriko fa manantena ny mpitondra nanondrotra ny karamanareo fa fantatrareo avy hatrany ny andraikitra ankinina aminareo amin'izao toe-java-misy eto Madagasikara izao.

Matoa anefa nankinina aminareo izany andraikitra izany dia mety ho tsy moramora velively ilay izy fa mety iangonan'ny fialonan'ny hafa rehetra tsy nahazo fanondrotan-karamana ianareo. Manahy aza aho fa hitombo bebe kokoa ny fankahalana anareo saingy inona moa no iraharahianareo izany? Impiry impiry no mahazo tambin-karama midangana, izao indray fanondrotan- karama mihitsy! Ny tsy azoko tsara dia hoe 50% hoe ny fisondrotana? Toa tsy mampino kosa izany, afa-tsy hoe nidina dia nidina angaha ny sandam-bola malagasy... nefa azo tanterahina soa amantsara kosa raha ho anareo irery ihany ny fanondrotana ny karama ka.

Ankehitriny, tena antoka tsara tokoa ianareo tsy hahafaha-manozongozona ny fitondrana tokony arovanareo. Araraoty tsara fa tsy misy fitondrana toa ity amin'izao fotoana izao ity ka hitsinjo anareo. Izaho kosa, lasan'eritreritra fa mizotra amin'iny lalana iny izay nodiavin'i Alzeria tamin'ny fotoan'androny ny fiainana politika eto Madagasikara. Potehina tanteraka ny endri-panoherana rehetra, lazaina ho mpampihorohoro izy ireny, mpanakan-dalana. Tsy mandehandeha foana tsy akory ireny aferana basim-borona tratra teny Ivato sy ireo hafa saiky halefa aty kanjo hita IHANY tany Paris ireny. Niniana notratrarina ve ireny fitaovam-piadiana ireny sa tratra tsinahy? Nahavariana moa tao amin'ny Tvplus fa sary tahiry ka mampiseho basy Kalakhnikov no naverimberina fa tsy ireo basim-borona tratra tanaty baoritra (mba matanjaka mahazaka be mihitsy kosa ireo baoritra ireo an!). Toa karazana paika Saikolojia ireny, te-hanambarana fa nisy nikotrika fanonganam-panjakana indray teto e!

Fa angaha vitan'izany ihany. Miverina indray ny lazan'izao tsahotsaho rehetra izao fa METY hisy amin'izay ny mpikarama an'adin-d Ravalomanana (famerimberin'i Randy-do-it hoe Ravolomanana). Dia ambenana avokoa ny karazana sisintany rehetra na an-dranomasina na an'habakabaka. Efa nanendrikendrehana io filoha teo aloha io moa izany hoe fakana mpikarama an'ady vahiny izany. Oadray nisy tokoa ka! tsy tadidinao angaha ireny mpiambina azy taloha fony vao nirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena voalohany ireny izy? Sa moa tsy mpikarama an'ady intsony ry Jean Marc Koumba ireny? Fa ilay izy fotsiny no adino no nilaza azy tamin'ireny fotoana ireny e!

Etsy ankilan'izany koa, ny fidradradradrana fa misy ny manakarama ny ambany tanàna indray handroba sy hamotika ary handoro tahaka ilay indray alatsinainy tamin'ny fiandohan'ny taona iny. Dia hampangaina ny sasany ho tena mpandroba fa mody milaza tena ho zanaka hendry mankahala fandrobana. Samborina avokoa izay miseho ho basivava rehetra. Dia tsy hisy intsony ny herim-panoherana, na dia hery tsy manana fitaovam-piadiana aza izany. Tsy ny famongorana ny mpanohitra velively anefa no lalana ahafaha-mampandroso an'i Madagasikara fa ahafahana  mitoetra maharitra eo amin'ny fitondrana izany, eny fa na dia amin'ny alalan'ny fandrahonana sy ny fampihorohoroana aza no itondrana ny firenena, rehefa milamina tsy misy mikofoka dia izay no tadiaviny.

Fa iza aminareo no mbola hieritreritra fa hisy fifidianana izany eto Madagasikara ao anatin'ny dimy taona raha ny fitohizan'izao toe-javatra izao no jerena e? Tsy maintsy ao anaty firenena milamina anie no hanaovana ny fifidianana. Noho izany, izay kandidà tsy miteraka korontana ny firenena, indrindra indrindra tsy manohintohina ny tombotosan'ny miaramila, ihany no afa-mirotsaka. Fa na izany aza mbola misy olona mety ho andrasana ho ampy 40 taona eto vao mety hisy izany fifidianana ho filoham-pirenena izany (izay ilay hoe afaka dimy taona).

Fa antony iray mampitarazoka ity toe-draharaha ity ihany koa ny fihazohazoan'ny vondrona iraisam-pirenena tsy mety hanasazy ny tsirairay amin'ireo mpanongam-panjakana  fa mbola variana mandrahona fotsiny. Ny an'ny olona jereo fa tonga dia tsy navelany hiditra teo Madagasikara fotsiny izay manelingelina azy dia vita kabary, sahirana avokoa ny nitady vahaolana tsy hanjerana ny sazy amin'i Madagasikara hanapahana ny AGOA miaraka amin'ny Amerikana. Faly ery ny mpanohana azy mitehaka amin'izao fahasahiana ananan'ny mpitarika azy izao. Araka ny nambarako moa dia ilaina fantarina tsara ny tanjona kendreny ahafahana manohitra tsara ny fikasany. Ny tiako marihina aloha izao dia ny tsy tokony ivoahany mankalaza ny fetin'ny faran'ny taona any amin'ny Reny Malala nefa andro mandalo fotsiny izany fa tsy manakana ny hanohizany iny lalana iny, izay feno hazofijaliana.

Farany: Lasa maharikoriko aoka izany ho'aho ny miresaka politika eto Madagasikara ary tsy maha-te-hanoratra intsony, satria raha mbola tsy mihetsika avokoa ny antokon'olona iharan'ny tsy rariny sy ny tsindry hazolena rehetra tsy misy na inona na inona azo atao hanoherana basy mihitsy eto. Efa tsy mila fifampiresahina intsony ireo olona ireo, nefa na dia maharikoriko tahaka izany aza ilay miresaka politika dia mbola lerako ihany. Fa na eo aza izany, Happy Birthday to You Mr President Ravalomanana!


jentilisa, 12 desambra 2009 amin'ny 01:22

Ompa sa faminaniana ilay hoe Fozaorana?

2009-11-26 @ 23:16 in Politika

Tena mandeha ihany ny fotoana. Raha namadibadika ny tahiry aho dia toy ny efa an-taonany maro sahady no nampalaza izany biby foza orana izany. Hay moa ka vao tamin'ny taona 2008 iny no nampirongatra azy io! Izaho anefa nieritreritra iny tantara iny ho tantara efa ela dia ela. Tsy mba tahaka ny fahatsapako ny firimorimon'ny fotoana ka gaga ihany rehefa mieritreritra fa ankatoky ny faran'ny volana novambra 2009 sahady isika. Volana febroary 2008 no tena nampalaza ilay biby fozaorana teto Antananarivo, efa lasa hafa ny dikany amin'izao fotoana izao ary lasa miendrika ompa aza matetika. Henika azy i Betsimitatatra, potehiny tanteraka ny sisindrano, nolavahiny ny tany ka mety ho goana tsotra izao no itsahinao raha tsy mitandrina ianao. Dia namidy nanerana ny tsena ireo biby maramara, ary nananika hatramin'ny amin'ny trano fisakafoanana maro aza. Nanambara anefa ny fitondram-panjakana tamin'izany fotoana izany fa hofongorina tanteraka ity karazam-biby mpanimba voly sy mpihinanan zanatrondro ity. Ankehitriny, iza no mbola mieritreritra na mahatsikaritra ihany ny fisian'izany biby fozaorana izany? Efa nihena dia nihena angamba ny isany na irariana ho lany taranaka tanteraka na dia mbola tsy nandrenesako tamin'ny fomba ofisialy aza ny hoe fongana tanteraka ilay biby mandeha mihemotra (biby mi-tourne hoy ny fiteny andavanandro manafangaro ny teny malagasy amin'ny tenin'ny mpanjanatany taloha).

Dia nitodika tamin'ny tantaram-pirenena indray ny eritreritra. Herintaona latsaka taorian'ny nampirongatra ny biby fozaorana no nidina an-dalambe ny maro an'isa tamin'ny tanora teto Antananarivo. Nanana ny lazany ny faramparan'ny vola janoary sy iny volana febroary 2009 manontolo iny. Vokany, rava tanteraka ny seha-piharian'ny filoham-pirenena teo aloha, ary misimisy ihany koa no rava fihariana, potika fihariana, may ny tranom-panjakana ary niongana tamin'ny toerany hatramin'ny filoha Ravalomanana. Nanomboka tapaky ny volana martsa teo, tsy ara-dalàna intsony ny governemanta mijoro ary mbola tsy voatsangana hatramin'izao. Nirangorango ireo lazaina fa mpitondra, tsaroanareo ve ny ady ambava teo amin'ny Minisitry ny Toe-karena sy ny PDS Fianarantsoa rehefa ho lany ny vary nangalarina tao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina? Toa fanapotehina ihany no tena hay sanatria, ahatsiarovana ny fikikisan'ny fozaorana ny sisandrano na ny lalandrano falehan'ny olona etsy Betsimitatatra.

Fa hatramin'izao hafa dia hafa ny fomba fisainan'ny mpitondra izay nanonganm-panjakana. Rehefa migafy araka izay tratra ny heverina ho governemanta iraisana izy dia milaza avy eo fa tokony ho izay efa misy ihany no aleo manohy ny asa. Dia nobaikoana ny mpiasam-panjakana hitokona amin'ny fanohanana ny filoha sy hitazona ny minisitra izay notendreny teo aloha ihany. Dia nohetsehina indray ny miaramila hiditra an-tsehatra amin'ny fitenenana hanomezana vahana an'ilaikely. Izaho kosa rehefa nahita fa matoa nampitenenina hatramin'ny miaramila dia efa io no bala farany hanerena ny hafa hanaiky ny fitondrany tsy ifampizarany amin'ny hafa. Dia notairina amin'izay ny filankevitry ny Minisitra tsy nisy fakan-kevitra tamin'ny filoha mpiara-mitantana sy ny Praiminisitra. Efa fantatra izao fa tsy manara-dalàna fa mbola atao ihany. Manana tetika ambadika tsinona. Tsy raharahiana ny fiaraha-miasa amin'i Etazonia sy ny hafa na dia hamotehina asan'olona aza izany fa aleo miankin-doha tanteraka amin'i La Frantsa ny Malagasy. Rehefa ny toe-karena no potika nefa eo ampelatanany ny akora fototry ny harena... ho inona intsony moa ianao?

Fa izaho kosa toy ny te-hampitaha ny taona 2008 amin'ny taona 2009 ka mitodika amin'ny taona 2010 sahady na dia tsy mbola tafatsangana aza ny governemanta. Biby nirongatra tamin'ny febroary 2008 indrindra indrindra, toa tsy fantatra intsony ny fisiany fa efa toy ny tantara taloha elabe rehefa tonga ny volana novambra 2009. Koa raha hetsika nirongatra dia nirongatra tamin'ny febroary 2009 ka nahazo fitondrana tamin'ny marsa 2009... enga anie ho tsy fantatra intsony ny fisiany fa efa toy ny tantara taloha elabe rehefa tonga ny volana novambra 2010. Nofy ve sa revin-gadra? Izaho aloha, na tsy misy aza ny baiko dia miezaka ny manongotra ny herin'ny fandravana sy ny fandrobana araka izay vitako fa mety ho tanteraka ihany izany raha maro no manao toa ahy. Fa oviana moa ilay fifidianana? Fa mbola hisy ve izany fifidianana izany? sao dia ny ampolo taonany no isaina? Izaho kosa manankina ny zavatra rehetra amin'ilay Tsitoha fa heveriko fa lesona ho an'ny rehetra, indrindra ho an'izay nitady ny sitrany ahay izao toe-java-misy ankehitriny izao.



Jentilisa 27 novambra 2009 amin'ny 01:21

Ny miaramila mahatsapa adidy sy ireo ve no mandrafitra ny governemanta?

2009-11-20 @ 22:40 in Politika

Mitaintaina avokoa ny mpanara-baovao politika miandry ny fivoahan'ny  mpikambana ao amin'ny governemanta iraisan'ny rehetra. Samy nanana ny paikany ny tsirairay tamin'ny fandrombahana ny toerana tsirairay. Nisy toerana nahitako ny lisitra manko ary rehefa notopazako maso dia tsy kisangisangy ilay izy fa azo heverina tsara (na sanatria mety ho tsy marina aza!). Somary nahavariana ihany ny filazana mialoha nataon'ny ankolafy sasany fa tsy azo soloina intsony ny minisitry ny fampianarana ohatra satria tsy mety ny manolo minisitra antenantenam-pianarana izany. Fantatra ihany fa tao anatina taom-pianarana no nanaovany izay tiany natao teto amin'ny firenena. Misy tetika ambadika tao anatin'io fifikirana minisitera tsy fiandrianam- pirenena io. Heveriko avy hatrany fa tiana ampiasaina ny mpiasam-panjakana ao amin'ny fampianarana hanao fampielezan-kevitra sy hitatitra haingana ny voka-pifidianana ka avy amin'izay no mety hanamboamboarana ny voka-pifidianana. ny minisiteran'ny fampianarana tsinona no maro mpiasam-panjakana (mpiasam-bahoaka) indrindra sy mieli-patrana mahazo hatramin'ny fokontany rehetra manerana an'i Madagasikara.

Izay no nanoratako tao amin'ny famahanam-bolongana fohy (twitter user jentilisa) ny tsy tokony ampiarahana velively ho ana ankolafy tokana ireo minisitera roa samihafa ireo dia ny fampianarana sy ny atitany. Ao amin'ilay tombatombana moa dia tsy tafaraka aloha ilay izy. Ny tena marina no tsy fantatra na hanao ahoana na hanao ahoana. Ny minisiteran'ny fahasalamana kosa indray dia mbola an'ny ankolafy hafa tsy iretsy ankolafy manana ireo minisitera roa tian-kotondroina etsy ambony. Azo heverina ho mahenika ihany koa an'i Madagasikara iray manontolo io minisitera iray io, na dia ekena tokoa aza fa tsy tonga hatrany amin'ny fokotany rehetra. Azo lazaina fa samy manana hafetsena mihitsy ireo ankolafy tsirairay na izaho no lasa lavitra loatra ny fisainako amin'ny hoe fanomanana fifidianana ho hatao mandritra ny tetezamita ka ireo fitsinjarana minisitera ireo no natao dia mba hanomanan'ny ankolafy indrindra indrindra izany fifidianana izany na dia eo aza ny andraikitra sahaniny ho an'ny vahoaka. Efa nisy ihany moa ny fetsifetsy nanao filazana tamin'ny mpiasam-panjakana rehetra any amin'ny sampan- draharaham- panjakana  any fa ny filohan'ny tetezamita irery ihany na ny fiadidian'ny tetezamite irery ihany no tokony hotoaviny sy handraisany baiko. Atsahatra eo aloha ny amin'iny satria atao hoe tombana ihany no misy hatreto fa omena anao etsy ambany ihany izany lisitra hitako izany.


Fa ahoana ny resaka miaramila?

Toe-draharaha nanamarika ity herinandro ity ny fanambarana samihafa nataona manamboninahitra miaramila vitsivitsy. Nisy ireo manamboninahitra no mitady hanindry fa misy ny manana zo tsy azo ifampizarazaran'ny filoham-pirenena. Mba nijery rakibolana teny vahiny (na dia teny ofisialy aza) ihany ny tena ka nahita fa toy ny hoe tombontsoa manokan'ny Mpanjaka (nahavariana ahy io teny io fa naninona no tsy ny filoha no noraisiny?) io resaka zo tsy azo ifampizarana amin'ny hafa io. Soa ihany fa nisy ny manamboinahitra hafa avy hatrany dia nahasahy nijoro nilaza fa tsy voatery araka izay heverin'iretsy voalohany no andikana izany zo tsy azo ifampizarana izany. Ireo voalohany izay notarihan'ny Lt-Kl Charles Randrianasoavina sy Lt-Kl Lylison de Roland moa tao amin'ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra no nanao ny fanambarany. Ireo nanohitra azy dia ny Kmdà Roger Luc sy ny Kp Mbohoazy Lahinilainy izay fantatra fa avy ao amin'ny 1°RFI kosa tsy fantatro mazava ny toerana nanaovany fanambarana.

Zava-mahavariana ireo fanamabarana ireo. Iretsy voalohany mety hihevitra fa ry zareo sy ny tariny no mahery ka tsy hisy ny hahasahy hanohitra azy ireo. Karazana fanindriana ny hafa rehetra no nataony. Etsy ankilany ihany koa anefa dia mety ho hevitra farany nataon'izy ireo ny fanambarana nataony hanavotany ny olona arovany mba hanandanja kokoa eo amin'ny firenena fa tsy ho vasok'ilay hoe tsy maintsy nifampizara fahefana. Nisy tampoka ny miaramila namaly ny fanambaran'izy ireo, nahasahy naneho ny heviny, nefa tsy voatery hanambara ny heviny manohitra ireo nanao fanambarana tao amin'ny Lapam-panjakana ka hampiseho hoe mizara ny tafika. Teny tsy zakan'ny ao amin'ny miaramila rahateo izany hoe "mizara" izany. Ny roa tonta nanao fanambarana dia samy tsy naka alalana tamin'ny Lehiben'ny etamazaoron'ny tafika na ny minisitry ny Fiarovana. Raha ny tokony ho izy izany dia mendrika ny hosaziana avokoa ry zareo rehetra ireo. Efa nanambara ny Kaomandà Roger Luc fa efa naharay ny saziny saingy tsy ahoany loatra izany rehefa tsapany fa nanao ny adidiny izy ary tsy manenina tamin'izay nataony. Izaho manokana dia mendri-piderana ny nataony, na dia ny hahatonga saina ireo mpanao fanambarana tsy nahazoana alalana ihany aza no mety ho tanjony. Te-hamerina ny Tafika amin'ny sehatra tokony hisy azy izy fa tsy hitsabaka amin'izay tsy tokony ho tsabahiny. Olona firy re no mba mahasahy ny manao ny tahaka azy ireo? Mandika ny lalàna hiarovana ny rariny sady manaiky ny sazy mifandraika amin'ny fandikan-dalàna nataony. Misy manko ireo mandika lalàna nefa tsy te-hanaiky ny sazy tokony hampiharina aminy tamin'izay nataony. Endrika fanajana ny lalàna amin'ny fomba hafa.


Ireto ary ny lisitra nisy namoaka izay lazaiko hatrany fa mbola miandry fanamarinana ofisialy:

Eugène Mangalaza, Premier Ministre
Ny Hasina Andriamanjato, VPM Economie
Manandafy Rakotonirina, VPM Fonction Publique
Manoro Régis, VPM Enseignement Sup. et Recherche
José Andrianoelison, Ministre Finances et Budget
Gal Noel Rakotonandrasana, Ministre Forces Armées
Serge Zafimahova, Ministre Transports et météorologie
Henri Roger Ranaivoson, Ministre Affaires Etrangères
Josiane Robiarivony, Ministre Energie
Julien Razafimanjato, Ministre Education Nationale
Miandrisoa Marcel, Ministre Enseignement Tech. et Formation prof.
Serge Radert, Ministre Commerce
Gal Organès Rakotomihantarizaka, Ministre Sécurité intérieure
Rafatrolaza Bary, Ministre Mines et Hydrocarbures
Serge Ranaivo, Ministre Jeunesse et Loisirs
Montfort Enselme, Ministre Pêche et Ressources Halieutiques
Augustin Andriamanoro, Ministre Télécommunication, Postes et NTIC
Manantsoa Victor, Ministre Tourisme et Artisanat
Sophie Ratsiraka, Ministre Environnement et Forêt
Rolland Ravatomanga, Ministre Agriculture et élevage
Gal Claude Ravelomanana, Ministre Gendarmerie
Ramisandrazana Rakotosoa, Ministre Justice
Nirhy Lanto Andriamahazo, Ministre Eau
Guy Rivo Randrianarisoa, Ministre Travaux publics
Tabera Randriamanantsoa, Ministre Intérieur
Rapelanoro Rabenja, Ministre Santé
Azaly Ben Marofo, Ministre Sports
Nathalie Rabe, Ministre Communication
Randriamandranto Ihanta, Ministre Décentralisation
Dr Joseph, Ministre Population et Affaires Sociales
Julien Reboza, Ministre Aménagement du Territoire
Tina Rasamimanana, Ministre Industrie
José Vianey, Ministre Culture et Patrimoine

Raha raisina isaky ny ankolafy kosa dia tahaka izao:

Ankolafy Rajoelina
Ny Hasina Andriamanjato, VPM Economie
Julien Razafimanjato, Ministre Education Nationale
Serge Ranaivo, Ministre Jeunesse et Loisirs
Augustin Andriamanoro, Ministre Télécommunication, Postes et NTIC
Gal Noel Rakotonandrasana, Ministre Forces Armées
Gal Organès Rakotomihantarizaka, Ministre Sécurité intérieure
Gal Claude Ravelomanana, Ministre Gendarmerie

Ankolafy Ravalomanana
Manandafy Rakotonirina, VPM Fonction Publique
Henri Roger Ranaivoson, Ministre Affaires Etrangères
Rafatrolaza Bary, Ministre Mines et Hydrocarbures
Rolland Ravatomanga, Ministre Agriculture et élevage
Guy Rivo Randrianarisoa, Ministre Travaux publics
Rapelanoro Rabenja, Ministre Santé
Randriamandranto Ihanta, Ministre Décentralisation

Ankolafy Zafy
Manoro Régis, VPM Enseignement Sup. et Recherche
Serge Zafimahova, Ministre Transports et météorologie
Miandrisoa Marcel, Ministre Enseignement Tech. et Formation prof.
Serge Radert, Ministre Commerce
Manantsoa Victor, Ministre Tourisme et Artisanat
Tabera Randriamanantsoa, Ministre Intérieur
Dr Joseph, Ministre Population et Affaires Sociales
José Vianey, Ministre Culture et Patrimoine

Ankolafy Ratsiraka
José Andrianoelison, Ministre Finances et Budget
Josiane Robiarivony, Ministre Energie
Montfort Enselme, Ministre Pêche et Ressources Halieutiques
Sophie Ratsiraka, Ministre Environnement et Forêt
Ramisandrazana Rakotosoa, Ministre Justice
Azaly Ben Marofo, Ministre Sports
Tina Rasamimanana, Ministre Industrie

Ankolafy hafa
Nirhy Lanto Andriamahazo, Ministre Eau
Nathalie Rabe, Ministre Communication
Julien Reboza, Ministre Aménagement du Territoire




jentilisa, Asabotsy 21 novambra 2009 amin'ny 00:45
 

Ny lalan'ny fandriampahalemana

2009-11-06 @ 23:57 in Politika

Noraiketina tamin'ny fotoana farany ihany fa dia iaraha-mitantana araka ny filaza azy tokoa ny tetezamita amin'izao fotoana izao raha ny ho fivoakan'ny tovana amin'ny fifanarahan'ny Maputo voalohany no tarafina. Rehefa nodinihina dia ny lalan'ny fandriampahalemana no noraisina, izany hoe nidifiana lavitra ny mety hisisan'ny gidragidra eto amin'ny tanàna. Raha nandre ny momba azy ity voalohany indrindra aho dia kivy tanteraka satria ny mpampita vaovaon'ny mpanohana ny mpanongam-panjakana no nihazakazaka nahavoaka voalohany ny resaka, nefa dia manana ny fomba fialzany izy... tena talentany tokoa ny nampita ny vaovao.

Nitamberina ao an-tsaina ny foto-kevitra tsy hanekena na oviana na oviana ny mpanongam-panjakana hitantana na dia ny tetezamita fotsiny ihany aza. Ny Malagasy anefa amin'ny ankapobeny dia mpijery ny zavamisy (réaliste), ary manana ilay fomba fitenenana manao hoe: "ny heloka ibabohana mody rariny, ary ny rariny itompoana mody heloka." Raha azavaina amin'ny fiteny ankehitriny izany dia manao hoe ny heloka rehefa ekenao fa nataonao tokoa ary nanenina tamin'izany ianao, dia mamindra fo aminao ny olona (olon'ny fo manko ny malagasy) ka lasa miandany aminao... miezaka ny olona ny hanampy anao hiarina amin'izay fotoana izay. Misolo vava anao amin'izay nanaovana hadisoana ihany koa ny olona mba hieritreretan'ilay nanaovana hadisoana tsara amin'ny sazy hampiharina anao.

Ny rariny, tsy tiana hozogozonina kosa na ihenjanana eo amin'ny Malagasy araka ny nolazaiko ihany, dia manjary ataon'ny olona ho helokao indray... eo ny olana, tsy nijery ny mahaolona mety diso ianao araka ny fijeriny fa manao ilay akaikin'ny fiteny hoe ny tendrom-po tsy mba namana. Mpandala ny fihavanana ny Malagasy, araka ny fiteny manao hoe aleo very tsikalakalam-bola (fahefana raha ny eto) toy izay very tsikalakalam- pihavanana (miala amin'ny ady an-trano eto), dia milefitra amin'ny sazy tokony ampiharina ka manao hoe: rano raraka tsy azo raofina iny ka ny manaraka no tsy atao intsony. Tsy dia manampahaizana loatra ny momba ny teny malagasy, itarafana ny toe-tsaina malagasy amin'ny ankapobeny, aho fa izay araka ny fahazoako azy ihany no ampitaiko etoana sady itarafana ny zavamisy ankehitriny. Fa inona ity nahazo ahy toa tahaka ireny mahay mikabary ireny?

Etsy ankilan'izay foto-kevitra iray tokony ho rariny izay, tsy fola-mandefitra fa maka toerana, ny mpanongam-panjakana no manana ny hery sy ny fitaovam-piadiana. Tsy mba tahaka ny mpanongam-panjakana hafa any amin'ny kaontinanta hafa loatra ny mpanongam-panjakana teto Madagasikara fa afaka nivezivezy tany amin'izay toerana rehetra tiany aleha. Ny hafa manko voasazy tsy mahazo mandeha any amin'ny firenena maro any avaratra indrindra indrindra. Ny teto amintsika indray efa samy tongany na Etazonia na Eoropa ka manome vahana ilay ahiahy fa ilay firenena nanjanaka ny Malagasy teo aloha ihany no mitady hangeja azy indray amin'izao fotoana izao...hiarovany ny tombotsoany fotsiny. Ny Ngeza (firenena io) anefa tsy mifampihinana loatra fa mifanaja. Koa na inona na inona mety ho hatezerana nihalohalo tao anaty tao, ny saina mandinika kosa mahatsapa fa tsy misy lalan-kafa afa-tsy izay fantatra ankehitriny amin'ny fiaraha-mitondra isian'ny filoha telo no vahaolana tsara indrindra.

Mihomehy ihany ny tena, mieritreritra ity firenena malalantsika ity, tahaka ny dia tena hafa mihitsy anie ry Rainisoazanatasy (tsaroanareo ve ny fomba fiteny tamin'ny gazety Lakroan'i Madagasikara fahiny?) mianakavy. Avy nandalovany tamin'ity taona ity izany Praiminisitra telo (na efatra), izay manjary lasa idirana ny filoha anankitelo. Nisy izany Praiminisitra Monja Roindefo izany, izay miandry ny trano ao mahazoarivo ao, nefa efa notendrena sahady izany Praiminisitra Mangalaza, nanjary nialokaloka tany Frantsa vetivety aloha, ary dia natao Praiminisitra vonjy tavan'andro Rtoa Manorohanta Cécile. Ankehitriny, tanteraka ny nofinofin'i Andry Nirina Rajoelina sy Lafrantsa antsoina hoe filohan'ny tetezamita iraisana, saingy iraisana amin'olona antsoina hoe Rakoto Fetisoa Andrianirina (Misy Nirina roa mitondra eto Madagasikara!) sy Emmanuel Rakotovahiny ilay fiantso. Tiana ankalazaina ery izany hidradradradrana fandresena angaha, nefa sonia telo no tsy maintsy andrasana amina fanapahan-kevitra somary lehibebe. Enga anie mba tsy ho mpiray tsikombakomba amin'ny ratsy izay voatendry fa hifanaramaso kosa ka tsy hisy ny hanao tandrevaka na hanao gaboraraka ny fitantanana ity firenena ity. Rediredy ihany noho izany ny ilazana ny iray ho président fa ny hafa kosa ho antsoina hoe co-président. Tsy havanana amin'ny teny frantsay ny tena, saingy ny sary ahantona eny amin'ny biraom-panjakana kosa angamba no tsy mety fa dia an'ny Président ihany e!

Faly ihany ny tena, rehefa nisaina kely, satria tsy nisy ny resy ary tsy nisy koa ny nandresy tamin'ny fifanarahana vita. Ataoko fa samy nahazo ny anjarany avy ihany ny ankolafy tsirairay. Ny olana hany sisa hitako dia ny momba ny miaramila. Misy manko ny mihevitra amin'ireo mpitondra miaramila fa ry zareo ihany no mandidy amin'izay mipetraka ho minisitra sy ho lehiben'ny etamazaoro. Anjaran'ny tsirairay ny mamakafaka sy ny mieritreritra ny tokony atao amin-dry zalahy ireo. Samy afaka ny hitabataba fa nandresy, nefa samy hahatsapa fa misy fifampiandrasana hatrany eo. Io fifanarahana io aloha no vahaolana tsara indrindra amin'izao fotoana izao fa ny ampitso no hamaritra tsara izay tena hendry sy eken'ny maro ny fihetsika nataony nandritra ny fihaonana. Ny mpino an'Andrimanitra moa dia tokony hisaotra Azy indrindra fa manomboka miaha ihany ny olana mianjady amin'i Madagasikara ary indrindra indrindra...na dia mihevi-tena ho mpitondra aza ny sasany dia misy olona roa manara-maso ny zavatra ataony nefa tsy tokony azony ataony na inona na inona. Hotohizana ny lalana!


jentilisa, Antananarivo 7 novambra 2009 amin'ny roa maraina.


Aleo samy hahita, aleo samy hizaka!

2009-11-02 @ 23:26 in Politika

Lahatsoratra masiaka dia masiaka izy ity ka izay mora tohina aleo tsy mamaky aloha! Tsy misy resaka diplaomasia ka handambolambo resaka fa toy ny donak'afon'Analakely ity ka avy hatrany dia any am-bovonana; hady vomangan'Ikirijavola ka ny voamasony no potsirina. Raha milaza fa leo politika moa ianao ka mahazaka tenenina dia ho anao indrindra ny resaka, fa efa mampiomana anareo indray aho fa hasiaka ity lahatsoratra ity.


Sombin-tantaran'ny fahakely

Efa nosoratako eo amin'ny momba ahy fa tia ary tsy leo miresaka politika aho. Izany hoe, azo heverina fa ao anatin'ny sokajin'olona eto Madagasikara tena vitsy dia vitsy an'isa indrindra. Manahy aza aho hoe mba misy 1% ve izany tsy leo miresaka politika toa ahy izany? Fony mbola kely aho dia tia namaky boky sy gazety, Gazety Imongo Vaovao sy Maresaka no tena famaky fa ny gazety Atrika moa toa fotoana vetivety ihany no nivoahany raha tsy diso aho. Tamin'ny fahasivy na fahafolon'ny taonako aho no nahita boky sekoly alahady tantara antsary (nivoaka tamin'ny 1968 ary nivoaka tsikelikely) voatahirin'ny dadabeko (avy amin'ny reniko). Vitako vaky avokoa hatrany amin'ny Genesisy ka hatreo amin'ny sarin'ny labozia fiton'ny Apokalipsy nandritra ny vakansy.

Herintaona taorian'izay indray no nahitako ny gazety Hehy (1967-1975) nipirina tao amin'ny dadabeko (avy amin'ny raiko) sy ny gazety Fanasina (gazetin'ny protestanta tamin'izany fotoana izany). Notiavina ny namaky hatsikana nefa anisan'ny tena namolivoly tao amiko tao ny fizotran'ny 1972 sy ny 1975 heveriko ho voantantaran'ny gazety Hehy hatramin'ny antsipiriany. Nanomboka teo no nanomboka nanintona ahy ny fizotran'ny tantaran'i Madagasikara, ary nitsiry tsikelikely ny fitiavana nanaraka resaka politika. Raha tsikaritrareo mpamaky dia gazety sy gazetiboky amin'ny teny malagasy avokoa no efa nankafiziko sahady tamin'izany fotoana izany. Koa aza ataonao mahagaga intsony raha mikiry ny hanoratra amin'ny teny malagasy aho.


Efa nampiainana politika sahady

Tadidiko ny nanaovana ahy an-tsangory nandeha nankeny amin'ny Catalane (Toby Ratsimandrava amin'izao fotoana). Maromaro ny olona nifanao fotoana tamin'ny raiko tamin'izany, ary maro dia maro ihany koa ny olona nitanjozotra ho any amin'ny alehanay. Tsy dia nahafantatra tsara ny anton-dia aho fa tamin'ny fotoana namakiako ny tahirin'ny gazety hehy voalazako etsy ambony no nanaovako tsoa-kevitra fa "hijery" ny Kolonely Ratsimandrava nisy namono no nandehanana tany.

Tadidiko hatrany na dia mbola kely aza aho fa nisy nanoratra ENY vaventy dia vaventy teo anoloan'ny tranonay, 1975 io taona io. Naparitaky ny fiaramanidina (tsy tsaroako intsony na voromby na angidimby)ny taratasy na baoritra miendrika ovale misy ny sarin-dRatsiraka sy ny soratra hoe Eny  maro dia maro tokoa [efa nahay namaky teny ve aho sa ny fahatsiarovan'ny jery matanjaka ato amiko no hahatadidiavako izany?]. Dia izay ihany koa ny fifidianana na fandrotsaham-bato tadidiko voalohany indrindra (CEG 67ha) fa tsy fantatro tsara hoe fitsapan-kevi-bahoaka io. Mbola tsy ampy dimy taona akory aho tamin'izany fotoana izany.

Tadidiko naverimberin'ny MFM sy nataon'ny ankizy litania ny hoe: "Tsy maintsy mandresy ny tolona, na hinan'ny T..ny aza ny olona". Nalaza teo amin'ny misy anay ny MFM satria betsaka mpianatra amin'ny anjerimanontolo nipetraka nanodidina ny nipetrahanay. Tahaka ny teny nandeha ho azy izany taminay na dia somary nampihhisitrisitra ny ray aman-dreny ihany aza.

Tadidiko natao litania tamin'ny taona 1978 taona iraisam-pirenena ho an'ny ankizy raha ny fahatsiarovako azy ny kabary niverimberina manao hoe "Ankizy ankehitrio tompon'ny taona 2000". Toa kabary natao hampitony ny ray aman-dreny mahatsapa fa mihasarotra ny fiainana io fombam-pitenenana io. Tsy mbola tadidiko nisy naneho fimenomenonana ampahibemaso tamin'ny olona tamin'izany fotoana izany.

Tadidiko ny taona 1979 fa nisy zavatra nanahirana ny raiko, sy nilofosany fa tsy fantatro mazava aloha tamin'izany fotoana izany noho ny maha mbola kely ny tena angaha. Nitondra trakitra hatrany izy, hay moa nanao fitokonana ny mpiasam-panjakana saingy resy tamin'izany fitokonana nataony izany. Hatramin'izao dia tsy fantatro tsara ny tena notakian'ny mpiasam-panjakana fa ny tadidiko dia Antaimbarinandriana no tena nifanaovana fotoana.

Nandeha indray ny taona 1982 na ny nifanakaiky tamin'izany, toa nandehanako hatrany ny fivoriana politika natao tao amin'ny kianjan'ny COUM 67ha. Asa! noho ny COUM toeran'ny Anjerimanontolo ve fa tsy nahatsikaritra mpitandro filaminana aho teny amin'ny manodidina teny. Ny Monima notarihin'It. Monja Jaona no karazana "mpanohitra" tamin'izany fotoana izany... Ny teo 67ha ihany no naleha fa tsy nahafantatra izay nitranga taty Analakely, toa hoe nisian'ny fifandonana tamin'ny mpitandro ny filaminana aho. Ny marina kokoa, sarotra ny manao fihetsiketsehana teo Analakely satria mbola nanjaka ny TTS sy ny fandrobàna nataony sady teo amin'ny Toby Pochard eo akaiky eo no misy azy. Rehefa nisy ny rotaka, na dia ny faharesena tamin'ny baolina kitra teo Mahamasina aza dia misy hatrany ny olona manao rodorodo mandroba teny Analakely ka ny VETMAD hatrany no lasibatra voalohany. Nampalhelo mihitsy io orinasa io tamin'izany fotoana izany. Mba an'iza ary izy io no nankahalaina tahaka izany?


Tsy nananjò hifidy

Tamin'ny taona 1989 dia tokony ho ny volana desambra no natao ny fifidianana ho filoham-pirenena. Nikabary anefa ny filoha Ratsiraka tamin'ny fiandohan'ny taona fa haroso amin'ny 12 martsa ilay fifidianana. Tsapako ho feno alahelo aho satria andro sisa no isaina aorian'io 12 martsa io dia feno 18 taona aho, izany hoe afaka mifidy amin'izay. Nafana dia nafana ny resaka politika teo aminay samy mpianatra, na mpiara-mipetraka. Ny nahazendana ahy raha ny fivoahan'ny adihevitra dia tokony ho ny mpanohitra no nivoaka nandresy. Saingy nizarazara moa ny mpanohitra fa samy teo i Monja Jaona, Manandafy, Marojama Razanabahiny. Hita amin'ny resaka ihany fa samy nifidy izay mitovitovy fiaviana aminy ny tsirairay. Ny avy eto afovoantany nirona kokoa tamin'i Manandafy. Ny tany Anindrana kosa nitodika kokoa tamin'i Marojama. Teo ihany ny nisafidy an'i Monja Jaona. Efa nanambara ny hanaovana ankivy ny fifidianana ihany ny MFM noho ny ahiahiny amin'ny fizotran'ny fifidianana saingy tsy eken'ny sain'ny mpifidy izany ka nilefitra ihany ilay antoko tamin'ny farany.

Ny ampitson'ny androm-pifidianana, nangina hafahafa ny tao ampianarana. Ankona tamin'ny fahagagana fa mbola maro mpifidy ihany ny Arema angamba. Lasa fampaherezana ny mpianatra sy fampiononana no nataon'ny mpampianatra kajy anay tamin'izay fotoana izay. Tsapan'ilay mpampianatra angamba ny fahadisoam-panantenanay mpianatra. Isaky ny fakan-drivotra dia mivoaka ny vavahady hatrany izahay ary misioka izay fiara manakaiky ny faritry ny sekoly, na izay rehetra azo siahina. Nivadika ho fitoraham-bato izany indray maka.

Nihananakaiky ny andron'ny 13 mey 1989 ka feno mpitandro ny filaminana nandehandeha ny tanàna indrindra fa ny nanakaiky ny sekoly. Nisy mihitsy aza ny miaramila no napetraka tao amin'ny efitra iray ao amin'ny sekoly. Nampiakatra ny tambavin'ny mpianatra izany tamin'ny fakandrivotra ka nahatonga ny tabataba. Namanenoina haingana ny lakolosy fidirana saingy tsy nisy niraharaha izany. Velona ny fitorahana ny efitra nisy ireo miaramila. Tonga ny mpanampy an-dry zareo! tamina kamiao maromaro. Nirohotra nakeny ambavahady ny mpianatra. Ny zatovolahy mitoraka moa ny zatovovavy maka vato tamin'ny sobika fanangoana fako isan'efitra tao amin'ny lalamby (LMA Ampefiloha ny sekoly nianarana) mandalo ambadiky ny sekoly. Tsy maintsy hoe vaky nandositra ny miaramila satria mpianatra rehetra no niara-nirohotra. Tsy anjerimanontolo ny Lisea saingy tsy neken'ny mpianatra ny hanitsakitsahan'ny miaramila ny faritry ny sekoly. Tsy nisy ny mpampianatra na mpandraharahan'ny sekoly sahy nibedy ny mpinatra tamin'io fotoana io.

Saika tao amin'ny LMA no niaingan'ny fitokonan'ny mpianatra tamin'io fotoana io, ka nahamailo ny fitondrana. Ny LMA irery manko no nandroaka ny miaramila hiala ny faritry ny sekoly noho ny fananana ireo vaton'ny lalamby lasa karazana bala. Nalefa hiala sasatra mialoha sy andro maromaro ny mpianatra rehetra tao amin'ny LMA manokana raha nitohy kosa ny fianaran'ny sekolim-panjakana hafa. Tamin'izany fotoana izany manko dia efa saiky hivadika politika ilay lonilonin'ny mpianatra. Kamo kosa aloha ny mbola handeha hivory tamin'izany fotoana izany nefa mba nahazo vakansy aza. Maty momoka ny tolona tamin'io fotoana io. Rava koa ny GVTD rehefa nandalo teo Madagasikara ny Papa

Rehefa nahazo nifidy indray

Dia nisy koa ny tolona 1991. Nikatso tanteraka ny machine administrative saingy tsy nahala ny filoha izany. Nisara-kevitra ny MFM sy ny Hery Velona hafa. Tadidiko tsara fa voatery nitondra ny sezany ho eny ambony sehatra it. Germain Rakotonirainy teo amin'ny kianajn'ny 13 mey.
Taty aoriana moa dia lasa nikisaka tao amin'ny Lisea Rabearivelo ry zareo ka nanagana ny Hery Velona Rabearivelona na Herivelon'i Madagasikara. Ny hafa kosa nametraka ny anarany ho Hery Velona Rasalama satria fanaovana toeram-pivoriana isan-tsapana ny Kolejy Rasalama etsy Ampandrana. Nandalo ny 10 aogositra 1991 fa mbola tsy nahaongotra an-dRatsiraka ihany izany. Ny lazany fotsiny no niharatsy. Tsy maintsy nifanekena ny fifanarahan'ny Panorama nivoaka tamin'ny 31 oktobra 1991. Niaraha-nitantana ny tetezamita.

Tamin'ity fotoana ity (1992-1993) vao tena nampiasa ny safidy ny tena. Na mpandeha teny amin'ny kianjan'ny 13 mey aza ny tena dia tsy nifidy an'i Zafy Albert tamin'ny fiodinana voalohany. Olon-kafa no nofidiana satria izay ny safidiko. Tamin'ny fiodinana faharoa vao nandrotsa-bato ho azy aho. Mety ho antony iray nanaovako izany safidy izany ny nitadiavako ny hilaminana ka hanekena ny fifanarahana. Nankatò  ilay fifanarahana aho raha nitsipaka izany kosa ny mpitolona nandeha isan'andro teny amin'ny kianjan'ny 13 mey. Tsy teto an-toerana ny Pr Zafy Albert (praiminisitra an-dalambe) tamin'ireny fotoana ireny ka ny fandavany ampahibemaso ny fifanarahana (nefa toa tsy hita akory izay fanovana natao tamin'ny fifanarahan'ny Panorama efa vita sonia) no nahatonga ny safidin'ny Besinimaro ho kandidàn'ny Hery Velona (Rasalama).

Tonga ny taona 1996, naongan'ny Antenimieram-pirenena tamin'ny asany ny filoha Zafy Albert. Nandeha indray ny fifidianana. Olonkafa no nofidiako fa tsy Zafy Albert na Didier Ratsiraka. Izany hoe hisafidy amin'ny olona samy efa nitondra indray ny vahoaka malagasy. Nilaza ho leo sy tsy hiraharaha ity fifidianana ity indray ny ankamaroan'ny tanora. Nankalazaina fatratra eran'ny vazamontotra manko fa hifidy amin'ny pesta sy kolerà ve? Izay fanaratsiana ny zavatra politika izay no fahadisoana goavana, sady nokendrena rahateo moa ny hahavitsivitsy kokoa ny mpifidy e! Izaho kosa tsy nandairan'ny fanaratsiana befahatany ny politika fa nandrotsaka ny vatoko tamin'ny Pr Zafy Albert ihany. Naneho ny safidiko aho ary tsy nanenina tamin'izany. Tadidy tsara kosa fa nihanihena ny vaton-dratsiraka rehefa nihatonga tsikelikely ny avy any Ambanivohitra. Tsy navela hiditra ny trano boriborin'ny minisiteran'ny atitany intsony ny solontena sy ny mpanara-maso avy amin'i Zafy Albert. Mazava loatra raha mipetraka ny ahiahy fa namboamboarina ny vato mba hendresen-dRatsiraka. Kely ny elanelambato ofisialy saingy be tamin'ny tanora kamo nifidy tamin'ny fiodinana faharoa no nanenina avy eo hoe tahaka izay ihany nifidy... izany hoe naleo hay nifidy Zafy Albert! Ny nenina moa tsy eo aloha hananatra fa...


Ankehitriny kosa manao ahoana?

Nodinganiko ny 1999, 2001, 2006 ary ny 2007. Velona indray ny fanaratsiana ny mpanao politika. Raikitra indray ny fanosora-potaka ny zavatra politika. Manao izay samy igadonan'izay hitranga indray ny maro an'isa. Dradraina indray fa mitady filaminana sy fitoniana ny vahoaka. Hita eny ho eny ny fametrahana ny olona ho anaran'aretina. Eo amin'ny fotoana heverina ho mahaketraka izay indrindra anefa no tena tokony ijoroana. Miala tsiny aminareo namana rehetra aho. Hametraka ny hevitro izay hanafintohina aho. Safidy politika ny ahy ka abaribariko. Izaho manokana tsy manaiky fotsiny ny hoe izay ifanarahan-dry zareo ao. Izaho tsy manaiky ny atao an-jorombala. Mametraka izay heveriko ho vahaolana haingana kokoa aho. Rehefa hitako tato [teny malagasy] ny zava-mitranga any Honduras dia velom-panantenana ihany koa aho.

Ny any Honduras raha mety haverina amin'ny toerana mahafilohan'ny firenena azy Atoa Zelaya izay vao naongana, ka iaraha-mitantana ny fitondrana, ary ao anatin'ny iray volana no hanatanterahina ny fifidianana ho filoham-pirenena, dia hoy aho hoe: rehefa tsy averina hitondra ary Ravalomanana dia tsy tokony hitondra ihany koa Rajoelina. Izay no fampitoviana lenta sady mifanaraka amin'ny lalàna iraisam-pirenena. Koa ny hany andrasako amin'ny fivoriana any Adis Abbeba noho izany dia na tsy mitondra Rajoelina na tsy vita ny fanaovan-tsonia dia aleo samy mahita eto isika ary samy hizaka ny vokany. Ny tadiaviko dia vitaina haingana ihany koa ny fifidianana fa tsy hialintaona izany ity raharaha ity. Amin'izay fotoana izay samy tsy maintsy mandray ny andraikiny avokoa ny rehetra na aleo ny mpanongam-panjakana no mitondra na tsy maintsy tontosaina ny fifidianana. Izay malemy loha ka mandefitra any Addis Abbeba aloha no ho resy e!

Raha misy ny tezitra dia zonao izany, raha manontany ianao hoe dia tianao hotohizana izany izao fahasahiranam-be efa mianjady amin'ny vahoaka sy ny firenena izao dia valiako boraingina hoe: Izay nanomboka izao fahasahiranana izao no aoka hamarana azy amin'ny fanapahan- keviny. Raha nitady fifanarahana ianao, tsapanao ny lanjany koa mahaiza mandefitra bebe kokoa noho izay efa noleferinao. Tena biby saina tsy antra fo mihitsy izaho ity an! Tadidiko tsara ny fitenina mpitari-tolona iray izay tamin'ny volana febroary 2009 nanao hoe: "Tsy misy ny fifanarahana raha tsy miala aloha i...". Dia maninona moa mba isian'ny fitoviana tsara raha mba manao koa aho hoe: "Tsy misy ny fifanarahana raha tsy miala aloha i..." Tsy mampaninona ahy na dia ompanao aza aho satria tsy misy loatra angamba ny mahasahy mamoaka hevitra tahaka izao fa ny ahy ny hevitro dia hoe: "tsy ekeko ny hanomezana lesona ratsy ho an'ny taranako ka ho lasa maodely ny fanonganam-panjakana, tsy ekeko ny nanosihosena ny zoko na dia nisy aza ny tsy nety nataon'ny nofidiako, tsy ekeko hitondra fotsiny izao ny mpanongam-panjakana satria tsy tiako hisy zo ambony sy zo ambany eto. Efa vonona aho ny hizaka ny safidiko fa ianao aloha no asa!"


jentilisa 3 novambra 2009 amin'ny 01: 31


Amin'ny anaran'ny tolona

2009-10-24 @ 00:40 in Politika

Miala tsiny indrindra amin'ny tompon'anaram-bolongana fa dia tsy nahita lohateny hafa ankoatra io koa aho amin'ity lahatsoratro manaraka ity. Araka ny fahalalako, dia ny bolongana manana ny anarana hoe "Amin'ny anaran'ny tolona" no fantatro fa bolongana niteny malagasy voalohany indrindra. Mety tsy ho izay no marina saingy, io aloha no hitako hatramin'izao. Efa nisy izany teo alohako fa tsy izaho tsy akory no namoaka bolongana tamin'ny teny malagasy voalohany.

Manaraka izany indray, efa ela aho no te-hanoratra fa toa maromaro ihany ny sampona. Mahatsiaro mahita fahabangana amin'izay vakian'ny mpanara-baovao anefa rehefa mamaky fotsiny izay soratan'ny hafa ka manao anakampo hoe tsy maintsy mamoka lahatsoratra iray aho rahampitso fara-fahatarany, saingy nihemotra hatrany izany. Fandrika lehibe eo anoloako noho izany ny tsy mamoaka vaovao na ny hevitro eto amin'ity sehatra misy ahy ity. Mba eto an-toerana ihany tsinona ny tena ka afa-manaraka tsara ny zava-misy.

Mba mahatsikaritra ve ianareo? Moa tsy amin'ny anaran'ny vahoaka [madinika] sy tsy hahavery foana ny tolona no nandrombahan'ny sasany ny fahefana? [tsy fahefana nomena tamin'ny nahim-pony iny fa noterena tamin'ny alalan'ny fitaovam-piadiana, tsy voatery ho ambanana fa ialana amin'ny ady an-trano sy ny fandripahana ataon'ny miaramila mpikomy]. Noho ireo dingana isankarazany natao - indrindra fa ny nanomboka ny 25 janoary 2009 nitohy ny ampitsony sy ny afak'ampitsony ary ny tapa-bolana latsaka taorian'izay - no tsy hanekena ny ialana mora eo amin'ny fitondrana. Io ilay lazaiko hoe "Amin'ny anaran'ny tolona" satria tsy noho ny safidim-bahoaka manerana an'i Madagasikara no nahazoana ny fahefana fa tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana.

Raha namaky ny bolongan-dRabelazao [Amin'ny anaran'ny tolona] aho dia ny sarin'i El Che avy any Arzantina no hitako eo ankavanana eo. Tsy tany amin'ny toerana nihaviany anefa no tena nampalaza an'io mpitolona revolisionera io fa tany Kiobà. Rehefa Kiobà no resahina dia mitodika ho azy any amin'ingahy Fidel Castro koa ny eritreritra. Dia namaky sombin-tantaran'io firenena io ny tena ka nahatsikaritra fa nianjadian'ny fanonganam-panjakana nisesisesy ihany koa hay io firenena io nialoha ny an'i Fidel Castro. Dia olona 82 no notarihany voalohany hanangana hery mitam-piadiana nefa dia nahatarika olona maro hafa izy ka naharombaka ny tanànan'i Santa Clara, Kiobà [fa tsy ny Lapan' Ambohitsorohitra an!] tamin'ny faran'ny taona 1958. Ora 12 taorian'izay dia voatery nandositra i Batistà izay filohan'i Kiobà tamin'izany fotoana izany [sao dia mihevitra indray ianareo fa Ravalomanana no tiako lazaina amin'izany?]. Dia notapahina hatreo fa andron'ny Revolisiona Kiobana ihany koa ny 1 janoary 1959. Dia asa aloha ny eritreritry ny mpamaky fa manontany aho hoe fanonganam-panjakana ve no nataon'ny tarik'i Fidel sa tsia?

Nanapa-kevitra tamin'io fotoana io ny Fitsarana Tampony tany an-toerana fa ny Revolisiona no loharanon'ny Lalàna [fototry ny lalàna] ary ny mpitarika ny revolisiona no mandray ny fahefana. Tsy El Che [Che Guevarra] na ry Fidel mpitari-tolona revolisionera no lasa filoha avy hatrany fa izany Manuel Urrutia Lleó izany. Tsy mbola ireo mpitari-tolona ireo ihany koa no nandray ny toeran'ny praiminisitra fa izany José Miró Cardona izany. Inona no toerana noraisin'i Fidel Castro? Lehiben'ny tafika revolisionera na mitovitovy amin'ny CEMGAM eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Dia nieritreritra aho hoe fa iza tokoa moa no hahala ny CEMGAM sy ny Minisitry ny fiarovam-pirenena eto Madagasikara? Moa tsy efa nanambara ampahibemaso ve ny tao amin'ny Capsat rehefa azony ny minisiteran'ny Fiarovana Ampahibe fa tsy maintsy "ekeny aloha " vao mahazo mipetraka ho minisitry ny fiarovana sy CEMGAM? Moa ve tsy efa eritreritra fa tsisy hahala amin-dry zalahy ireo no mahatonga ny iray aminy niteny hoe tsy misy idiran'ny miaramila izany fifandirana politika misy eto Madagasikara izany fa mety ho tafapetrka eo mandrakizay ry zalahy raha tsy hoe mitady ny toerana ambonimbony kokoa avy eo? Nefa tsy misy ilàny izay toerana ambonimbony rehefa fantany fa eo ampelatanany ny fitaovam-piadiana eto Madagasikara, ka ny mandray ny fanampi-tambin-karama tamin'ny fiandohan'ny volana martsa 2009 sisa atao. Mipetraka tsara aloha eto fa "Amin'ny anaran'ny tolona" no nahazoana ny fahefana fa tsy amin'ny alalan'ny fifidianana.

Miverina kely amin'ny tantara indray aho, niala tampoka ilay praiminisitra José Miró Cardona rehefa niasa enina herinandro ka teo vao noraisin'i Fidel Castro io toerana io [13 febroary 1959]. Nisy ny filoha fa moa fantatry ny olona ivelan'i Kiobà amin'ny ankapobeny ve izany? Nandray ny toeran'ny praiminisitra i Fidel Castro [hatramin'ny joona 1976] nefa nahalatsa-danja azy niohatra tamin'ny filoha ve izany na tao an-toerana na taty ivelany? Raha ny eto Madagasikara aloha dia tsy mahay izany fa "Antsoy hoe Andriamatoa filoha aho manomboka izao" ihany no ady eo. Na dia sazian'ny lalàna iraisam-pirenena aza fa "tsy mahazo mitondra firenena izay nitarika na nanongam-panjakana tamin'ny alalan'ny hery" dia tsy henoina izany noho ny "Amin'ny anaran'ny tolona".

Mieritreritra aho, rehefa nahavita izay soratra izay, fa matoa isisihana hatrany ny hitadiavana ny toerana "Filoha" dia noho ny tahotra fa tsy manandanja miohatra amin'ny olon-kafa na dia mpiara-dia aminy aza izany olona izany. Na eo ihany koa ny fitiavan-kanafina izay tena naniraka tao ambadika tao. Raha tena mpitarika ny tolona ianao dia afaka mibaiko izay olona rehetra tendrenao amin'ny toerana iray fa tsy tokony hitokozihitra hoe tsy maintsy izaho no eto, ka miteraka ny ahiahin'ny olona manao hoe tsy maniraka tokoa ianao fa irahina.

Ankehitriny moa, toa efa ifampitadiavan'ny mpifanaritaka ao anatin'ny "Amin'ny anaran'ny tolona" izay ifandresena lahatra fa amin'ny anaran'ny lalàna amin'izay no itondrany ny firenena. Tahaka izany ny didim-pitsarana tao amin'ny Filakevim-panjakana manamarika fa ny filoha no manendry ny praiminisitra dia mihorakorak'hafaliana ny sasany fa efa filoha araka ny lalàna - tsy nandalo fifidianana - ny nisora-tena ho filoham-panjakana. Dia nisy izany filankevitry ny Minisitra izany manendry olona ho Praiminisitra vonjimaika ihany koa, tahaka ireny hoe efa nifanarahan'ny efa-tonta miandraikitra ny fanendrena io praiminisitra io. Misy zavatra hafahafa kononkononina ao!

Hitanareo koa moa fa misy ireo mampandresy lahatra fa tsy iadian-kevitra intsony ny mahafiloha an'Ilaikely nefa ny ankolafy iray nanamarika fa tsy misy filazana ao anaty fifanarahana efa voasonia fa izy no filoha. Dia eto isika miandry ny 3 ka hatramin'ny 5 novambra 2009. Ny mahavariana ahy fotsiny dia tahaka ny tsy misy mitaintaina ho'aho ny olona raha sanatria tsy tontosa amin'io fotoana io ny fampiharana ny fifanarahana, na ny ny 6 novambra aza no manapa-kevitra ny momba an'i Madagasikara ny vondrona Eoropeana. Sa efa azo antoka fa tsy ho tapaka intsony ny fanampiana [mbola iankinan'ny malagasy] avy amin'izy ireo?

Farany, fa efa lava izay. Faly ery ilay vohikala iray mpanohana ny FAT amin'izao fotoana izao milaza fa miara-milahatra sy anisan'ny mpitondra firenena folo goavana eto ambonin'ny tany Ilaikely dia lazaina fa miara-milahatra amin'i Barack Obama, Angela Merkel, Silvio Berlusconi, Ronald Reagan, Lula Da Silva, Arnold Schwarzenegger. Ny fomba filaza dia tahaka ny hoe tafiditra ho filoham-pirenena folo goavana manerantany Ilaikely no tadiavina asongadina hovakian'ny mpamaky, nefa ny filazan'ilay loharano dia mitantara ny lalana nodiavin'ireo olona folo tantarainy ireo. Vohikala frantsay koa moa no nahitana ilay izy ka mety ho ao anatin'ny paika fanambatambazana sy fampaherezana an'ilaikely sy ny mpanohana azy ireny  hoe jereo fa malaza erantany sahady ny filohanay. Narangaranga ihany ilay takelaka na dia misy teny hoe "fanonganam-panjakana notarihiny' izay tsy zakany aza ao anatin'ny lahatsoratra. Fa ny tena mampihomehy ahy zavatra hafa tanteraka no tiako soratana nefa dia hafa tanteraka no voasoratra, saingy tsy nosoloiko intsony ilay lohateny hoe "Amin'ny anaran'ny tolona".


jentilisa, 24 oktobra 2009 amin'ny 02:44 maraina.

Monja Roindefo, Maputo sy Dakar ary...

2009-10-11 @ 00:03 in Politika

Tontosan'i Monja Roindefo ihany ny fanambarany tamin'ny mpanao gazety ka nanehoany ny maha-mpilalao politika azy. Efa fantany tsara fa tsy hanasonia ny fifanarahana na ny fanambaran'ny GIC izany Atoa Marc Ravalomanana araka ny fanambarana nataon'ny filoha teo aloha, dia napetrany ho fepetra ihany koa iny ka nilazany hoe: "farafaharatsiny mba manao sonia iny fanambarana nivoaka tao amin'ny Carlton iny avokoa ny mpitarika ny ankolafy efatra" fa tsy ny telo ihany vao mety hanaiky ny fialany izy. Raha telo ihany manko dia mbola tsy mampiditra ny rehetra ihany izany araka ny filazany. Natsidiny indray mandeha ihany koa ny didy navoakan'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana mametraka azy ho "Praiminisitra ara-dalàna" ka hanesorana azy fotsiny amin'izao. "Samy andrim-panjakana izao ihany ve dia hifanongana eto?"

Fametrahana teti-panorona tsara ihany koa ny nilazany sahady fa hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena izy ary mitaky ny hanaovana izay fifidianana izany araka izay haingana indrindra. Nolazainy manko fa ny fifidianana ihany no vahaolana hamahana izao krizy mihatra amin'ny firenena izao. Tsy hoe lasa mpanohana an'i Monja Roindefo tampoka ny tena raha manoratra voalaza ireo fa mijery azy amin'ny lafiny teti-panorona hitazonana sy hahazoana indray ny fitondrana. Amin'ny lafiny iray manko, karazany mampanome vahana ny legalista ihany koa ny fihetsika ataony tsy manaiky hiala fotsiny amin'izao na dia eo aza ny fifanarahana raha mbola mihevitra izy fa manana hery na vondro-kery afaka miaro azy tsara (miaramila). Olana iray mila vahana na idifiana, noho izany, ny fihetsika ataon'i Monja Roindefo.

Tokony ho lesona ho an'ny legalista ihany koa ny fitakiana fifidianana araka izay haingana indrindra sy ny hitakiana ny hizarana ny toeran'ny Ben'ny faritra amin'ny ankolafy efatra, izany hoe samy manana dimy avy... fa ny ambiny (izay vitsy mponina indrindra) kosa dia tantanin'ny fiaraha-monim-pirenena. Kendrena mba hifanahantsahana ny isan'ny mpifidy sahanin'ny isaky ny ankolafy efatra hampifandanja ny efa-tonta dia mety hivandravandra eo ny mpangala-bato. Miainga avy amin'ireny fitsinjaram-paritra ireny manko ny hala-bato ka ilaina ny fanaraham-aso azy ireny. Hadisoana bevava noho izany raha avela hosahanin'izay minisitry ny atitany irery ihany ny fanendrena olona amin'ireny fitsinjaram- pahefana notendrena any amin'ny faritra ireny.

Atrehina ary vahana ny olana raha fantatra fa tsy manana hery miaramila afaka hiaro azy i Monja Roindefo. Miditra amin'ny ady mivantana izany. Tsy ho vitan'ny rahom-bava intsony ny raharaha fa dia mety hiasa sanatrian'izany basy aman-tafondro. Hita eo izay mahery amin'izay fotoana izay. Efa nalaza ihany anefa ny tsahotsaho fa noezahina hatry ny ela ny hampanaiky an'ingahy Monja Roindefo hiala amin'ny toerany saingy tsy nisy nahombiazana izany rehetra izany. Ankehitriny efa hita miharihary ny fibodoany ny toerana. Etsy ankilany indray, mety ho azo atao ihany ny midify ity olana iray ity fa mametraka vahaolana hafa, dia toy ilay nambaran'i Manandafy tamin'ny fotoana nanendrena azy hoe eny amin'ny Lapan'Andafiavaratra indray no arafitra tsara ho Lapan'ny Praiminisitra vonjimaika ka eny izy no handray ny masoivoho vahiny, na araka ilay nataon'i Andry Rajoelina tamin'ny 7 febroary 2009 manao hoe "An'ny vahoaka ny Lapan'Ambohitsorohitra koa atolotro ho toeram-piasan'ny praiminisitra" fa ny tenany kosa dia handefitra amin'ny Lapan'Iavoloha ihany. Dia amin'izay Lapa vaovao no hametrahana ny praiminisitra nifanarahana Atoa Mangalaza Eugene raha bodoin'i Monja ny Lapan'i Mahazoarivo.

Nahavariana ihany ny nitsenan'ny masoivoho vahiny vitsivitsy miasa eto Madagasikara ity Praiminisitra nifanarahana ity. Efa karazana fanerena ankolaka ataon'ny "iraisam-pirenena" hampanakery ny "fanambaran'ny GIC" mbola tsy voasonia io fihetsika io, ary maneho fahavononana amin'ny hanampiana azy sahady. Satria tsy manana hery miaramila aloha amin'izao fotoana izao Atoa Ravalomanana dia hodinganin'ny "iraisam-pirenena" tsy hanao sonia tokoa izy. Rehefa tena ho sarotra ny raharaha dia atao "sorona" hanasonia ny fifanarahana farany i Fetison Rakoto Andrianirina na olona hafa manaiky atao izany, raha mbola i Andry Rajoelina ihany no tafapetraka eo. Hanampy amin'ny fanomanana ny fifidianana sy amin'ny fanampiana ara-tsosialy hatrany ny firenen-dehibe tarihin'i Frantsa sy i Etazonia fa tsy hanaiky hitarazohan'ny krizy velively. "Sorona" izay manasonia ny fifanarahana satria heverin'ny mpitolona legalista ho "mpamadika" ihany koa iny, ary ho sarotra ny hijanonany eto Madagasikara. Tsy ho afaka ny hangataka ny hampiatoana ny AGOA velively manko ny ankolafy Ravalomanana, satria tsy maintsy ho fantatry ny besinimaro foana raha misy ny fihetsika toy izany hiheveran'ny olona fa mamono ny malagasy tsy hanana asa izy, ary sarotra dia sarotra ny hieritreritra ny fiantraikan'izany fahaverezan'asa 100 000 mivantana izany.

Praiminisitra tsy ho voabaikon'i Andry Rajoelina ihany koa io raha ny fanombanana azy satria tsy i Andry Rajoelina samirery akory no nanendry azy. Any amin'ny ankolafy nandroso azy no hakany hevitra kokoa amin'ny fitantanana ny firenena fa tsy ho any amin'ingahikely velively. Ho tahaka izany ihany koa ireo minisitra tendren'ny ankolafy hafa. Raha avy manko izay baiko amin'ireo minisitra, nefa tsy ankasitrahan'ilay minisitra ny toromarika, dia metyhivoaka ny ampitson'iny amin'ny gazety ihany izay baiko izay. Dia mety hitombina ny hoe ho filoha anarany fotsiny sisa izany hoe filohan'ny tetezamita izany.

Maputo sy Dakar

Efa ela aho no te-hanoratra ity ka dia nanery tena mihitsy androany hamita azy. Misy hatrany manko ny mamerimberina fa nisy nandika ny fifanarahan'ny Dakar tamin'ny taona 2002 ka vali-fingìka fingàka. Mazava tsara ny fifanarahan'i Dakar tamin'ny 18 avrily 2002 hoe: Noho ny didim-pitsarana laharana faha-4 navoakan'ny Fitsarana miady amin'ny fanjakana ao amin'ny Fitsarana Tampony dia averina indray ny fanisam-bato. Ny voasoratra eo amin'ny andininy voalohany dia mametraka mazava tsara hoe: "raha toa ka tsy misy ny mahazo ny ampaham-bato ahafahana mandresy amin'ny fiodinana voalohany" vao mandeha avokoa ny fifanarahana hafa rehetra [dans l'hypothèse où aucun candidat n'a obtenu la majorité requise pour être élu au premier tour de scrutin]. Tsy izay anefa no napetraky ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana fa nandresy tamin'ny fiodinana voalohany, rava ho azy noho izany ny andininy manaraka rehetra.

Nilaza ny ankolafy Ratsiraka tamin'io fotoana io hoe "nisy ny fifanarahana am-bava nametraka hoe tsy misy atao mandresy amin'ny fiodinana voalohany". Hafahafa ihany izany voalaza izany fa misy manko ny teny malaza lazaina ho nataon'i Pilato izay manao hoe "Izay voasoratra dia voasoratra" sy ny fombam-pitenenana manao hoe "Ny teny mandalo, ny soratra mitoetra". Raha voarakitra moa ny teny dia tsara ihany ny mamoaka izany hanaporofoana fa "nandika ny fifanarahana ny ankolafy Ravalomanana" tamin'io fotoana io. Rehefa tsy izany kosa dia aza miteniteny foana intsony.

Ny toy ireny no nahamailo tsara ny mpifanandrina politika nandritra ny fifanarahan'ny Maputo voalohany, ka "nahavoafandrika" ihany koa an'i Andry Rajoelina nihevi-tena fa nekena ho filohan'ny tetezamita ny tenany. Amin'ity indray mitoraka ity moa dia mety hotontosaina tsy misy sonia ihany ny fifanarahana na eo ampandrasana isika mahita ny atiny.

Jiro tapaka tao amin'ny tranoben'ny Minisiteran'ny atitany tamin'ny desambra 2006

Ity tranga nandritra ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny 3 desambra 2006 ity ihany koa dia lazaina fa fomba nentin'ny fitondrana Ravalomanana nentina nangala-bato hampandreseny ny tenany. Efa nanoratra ny momba io aho tamin'ny andro nanoratako tao amin'ny "Politika fanorona" ka tsara indray angamba ny hamerenana izany etoana. Soa ihany aza fa nanaraka mivantana sy nanoratra ireny aho tamin'izany fotoana izany. Horaisiko manontolo mihitsy ny lahatsoratro tamin'izany fotoana izany:

06 desambra 2006

31 isaky ny BV indray sisa dia…

Toy izao indray ny vokatra azo androany alarobia 06 desambra 06  tamin’ny 12 ora atoandro teo:
Isan’ny mpifidy voasoratra anarana : 5.012.419
Isan’ny birao fandatsaham-bato nahazoam-bokatra : 9149
Isan’ny birao fandatsaham-bato rehetra : 17.581
Isan’ny vato nanan-kery : 3.057.946
Toy izao kosa ny vokatra azon’ny tsirairay ao anatin’izany :
Ravalomanana Marc 1.871.641 manome 61.22%
Lahiniriko 227.799 na 7.45%
Ratsirahonana 154.661 na 5.06%
Ratsiraka 283.798 na 9.28%
Razafimahaleo 233.920 na 7.65%
Rakotoniaina 53.493 na 1.75%
Andrianjohary 24.683 na 0.81%
Rajakoba 13.585 na 0.44%
Andriamanjato 114.101 na 3.73%
Tsiranana 1.083 na 0.04%
Razakarimanana 38 na 0%
Monja Roindefo 8 na 0%
Manandafy 7.158 na 0.23%
Ravelomanantsoa 71.378 na 2.33%
Hatreto indray dia safidin’olona 1.937.956 sisa no andrasana amin’ny birao fandatsaham-bato 8432. Nataoko 62%n’ny mpifidy no salan’isan’ny vato manankery. Lasa safidin’olona 1.201.533 eo ho eo indray no tena andrasana. Raha io isa farany io no atambatra amin’ny vato manankery etsy ambony dia manome 4.259.479. Ny atsasa-manilan’io isa io dia 2.129.740. Hitantsika ery ambony fa ny isa efa azon-dRavalomanana dia 1.871.641. Ny isa andrasan’ny filoha am-perin’asa izany sisa hahazoany ny atsasa-manila dia ny fifanalan’ireo isa roa farany ireo izay manome 258.100 eo ho eo ka andrasana amin’ireo birao 8.432. Ny isa voalohany zaraina amin’ny isa faharoa izany no manome ny isam-bato isaky ny biraom-pifidianana tadiavina hibatana ny fandresena, izany hoe 31.
Nosoratan'i jentilisa

Azonareo veroka mazava tsara angamba ny safidiko tamin'ireny fotoana ireny, indrindra ho an'izay mpanara-baovao tao amin'ny "Politika Fanorona". Dia eto amin'izay no mila mandany fotoana kokoa ny rehetra. Ny lahatsoratro tamin'ity 7 desambra ity manko no nahitana toe-javatra mety ho nampiahiahy voalohany:

Hala-bato sa tsy fitandremana sa fanitsiana?

Somary nahavariana ny voka-pifidianana rehefa nampitahaina ny halina sy ny androany maraina. Dia izay ny nampanotany ny tenako hoe inona no tena zava-mitranga. Ny hafa moa raha nilazako dia namaly hoe mbola tsy ofisialy anie io fa ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana ihany no tena tompon’ny teny farany. Tsy hoteneniko dieny eto ilay “fahadisoana” fa ianareo ihany no asaiko mahita azy. Tsy manam-pikasana ny hanafina azy rahateo aho matoa milaza azy dieny eto am-piandohana. Tsy ofisialy tokoa moa ny vokatra azo na dia mamoaka azy aza ny minisiteran’ny ati-tany. Indreto ary ny vokatra omaly hariva sy ny androany maraina dia mazotoa mamaky azy aloha:

Ny isan’ny mpifidy nisoratra anarana omaly dia 5.316.321 omaly ary 5.939.449 androany
Ny isan’ny vato nanankery dia 3.233.199 (62.10%) omaly ary 3.609.416 (60.77%) androany. Ny isan’ny vato manan-kery azo nandritra ny alina izany dia 376.217. Manomboka eto dia heveriko fa azonareo ny tiako soratana: ny vokatra voalohany dia ny azo omaly navoakan’ny minisitern’ny ati-tany tamin’ny enina ora hariva, ny vokatra faharoa kosa dia ny androany maraina tamin’ny enina latsaka 12 miniotra, ary ny fahatelo dia ny tombom-bato azo sy ny salan’isam-bato azo tamin’io tombom-bato io:

Marc 1.948.678 ( 60.27%) ; 2.096.935 (58.10%) ; 148.257 (39.40%)
Jean  248.243 (7.68%) ; 320.864 (8.89%) ; 72.621 (19.30%)
Norbert 159.820 (4.94%) ;167.021 (4.63%) ; 7.201 (1.91%)
Iarovana 316.303 (9.78%) ; 376.231(10.42%) ; 59.928(15.93%)
Herizo 252.304 (7.80%) ; 296.095(8.20%) ; 43.761(11.63%)
Pety 60.068 (1.861%) ; 63.921(1.77%) ; 3.853(1.02%)
Jules 25.891 ( 0.80%); 27.603(0.76%) ; 1712(0.45%)
Daniel  14.625 (0.45%); 18.861(0.52%) ; 4236(1.12%)
Ny Hasina 121.185 (3.75%); 141.056(3.91%) ; 19.871(5.28%)
Philippe 1056 (0.00%); 1038(0.03%) ilay isam-bato nihena
Ferdinand 46 (0%) ; 46(0%)
Roindefo 8 (0%) ; 8(0%)
Manandafy  8.849 (0.26%); 10.513(0.29%) ; 1664(0.44%)
Elia 76.523 (2.37%) ; 89.224(2.47%) ; 12.701(3.37%)

Ny fanampim-baovao moa dia efa mikonokonona ny andininy manaraka ny rehetra. May ny biraom-pokotanin’I Mahabibokely any Mahajanga omaly, toerana nandresen-dRavalomanana io. Nisy nilaza ihany koa fa nisy nandoro tahaka izany ihany koa ny tranon’Atoa Sajy Pierre ao Toliary, nisy rezervista voasambotra fa nizara trakta hanonganana an-dRavalo teo Anosy ary misy vondrona mpitsara mitaky ny hanafoanana ny fifidianana tamin’ny 3 desambra lasa teo.

Ny isan’ny birao fandatsaham-bato fantatra dia 14.439 (82.13%)
Ny isan’ny mpifidy nisoratra anarana voaray androany alakamisy atoandro dia 6.264.857 ary ny androany hariva kosa dia 6.651.337
Ny isan’ny vato nanankery dia 3.817.583(62.17%) ny atoandro ary 3.973.742 (60.94%) ny hariva.
Marc 2.177.267(57.03 %) ; 2.241.127(56.40%) ;  63.860(40.89%)
Jean  371.684(9.74%) ;  401.077(10.09%) ; 29.393 (18.82%)
Norbert  172.912(4.53%) ; 176.763(4.41%) ; 2.816 (1.81%)
Iarovana  398.261(10.43%) ; 412.951(10.35%) ; 14.690(9.41%)
Herizo 322.854(8.46%) ; 346.233(8.71%) ; 23.379(14.97%)
Pety 66.425(1.74%) ; 69.169(1.74%) ; 2.744(1.75%)
Jules  28.651( 0.75%); 29.901(%) ; 1.250(0.80%)
Daniel  21.015(0.55%); 23.314(0.59%) ; 2.299(1.47%)
Ny Hasina  151.583(3.97%); 160.259(4.03%) ; 8.676(5.55%)
Philippe 1.038(0.03%); 1.060(0.03%) ; 22(0%)
Ferdinand  46(0%) ; 46(%)
Roindefo 8 (0%) ; 8(0%)
Manandafy 11.494(0.30%); 12.609(%) ; 1.115(0.71%)
Elia  94.345(2.47%) ; 99.225(%) ; 4.880(3.12%)
 
Ny tombon’isam-bato azo izany dia 156.159. Hatreto dia mahazo mikajy isika tsirairay fa efa nahazo ny fandresena vonjimaika ny filoha Ravalomanana saingy ny HCC moa no mpanapa-kevitra farany. Raha amin’ny fitombon’ny vato dia Lahiniriko no faharoa manaraka an-dRavalomanana ary Herizo Razafimahaelo kosa no fahatelo. Amin’ny filaharana ankapobeny kosa indray dia I Ratsiraka no faharoa ary Lahiniriko no fahatelo.

Voamarika avy amin’io isa io fa samy nahery ny kandida Lahiniriko sy Ratsiraka any amin’ny faritra nihaviany. Tsy mba to izany loatra kosa I Herizo Razafimahaleo, io no lesoka lehibe ho azy. Ny tombon-dRatsiraka dia noho izy any amin’ny faritra be mponina.

Safidin’olona 299.038 sisa no andrasana avy amin’ny birao 3.142. Raha raisina ho tsy mahazo vato intsony Ravalo dia 53.92% no efa azony. Raha raisina kosa ny taha 40.89 % eo ambony dia tonga 55.68% ny salan’isa azony. Efa azontsika angamba ny tiako lazaina.

Efa tsy namoaka vokatra vao maraina intsony ny rnm…na ny ati-tany no marina kokoa.

Ny 89.95%n’ny Birao fandatsaham-bato no efa azo tamin’ny vokatra navoakan’ny ati-tany tamin’ny 3 ora sy 13 minitra androany Zoma 8 desambra 2006 :
Ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana dia 6.914.875
Ny isan’ny vato nanankery dia 4.189.498 ( 61.78%)
Ravalomanana Marc 2.325.199 ( 55.50%)
Lahiniriko Jean 464.671 (11.61%)
Ratsirahonana 183.000 (4.37%)
Ratsiraka Iarovana Rolland  427.915 (10.21%)
Razafimahaleo Herizo 368.839 (8.80%)
Rakotoniaina Pety 71.058 (1.70%)
Randrianjohary Jules 31.315 ( 0.15%)
Rajakoba Daniel  25.738 (0.11%)
Andriamanjato Ny Hasina 171.527 (%)
Tsiranana Philippe Madiomanana  1.068
Razakarimanana Ferdinand 64
Monja Roindefo 8
Manandafy Rakotonirina 13.199 (0.32%)
Elia Ravelomanantsoa 105.915 (2.53%)

Hita araka izao fa Atoa Lahiniriko indray no faharoa: na izany na tsy izany dia mazava kokoa fa manana ny heriny manerana ny nosy ity kandidà ity. Fantatra moa fa mitady ny fihodinana faharoa ry zareo. Ny mahavariana ahy dia tsy mitontona ny fanisana isaky ny kandida sy ny fitambaran’ireo isa amin’ny vato manan-kery! Nisy nodisoana ve ny famakian-teny?

Notapahiko hatreo aloha iny lahatsoratra iny fa dia hankeny amin'ny lahatsoratra nivoaka ny 11 desambra 2006 indray aho, dia indro indray ny nosoratako tamin'izany fotoana izany:

Misitery ve?

Nisy ihany ny olona lasa saina tamin’ny zava-nitranga tamin’ny Zoma lasa teo. Efa nambarako raha tsy diso aho fa nisy fikatonany ny biraon’ny minisiteran’ny ati-tany ny Zoma maraina teo. Nikatona tokony ho sivy ora izany hoy ny nilaza. Nisy ny fifanandrifian-javatra nahavariana tamin’io fotoana io.

Voalohany ny vato voangona nandritra ny alin’ny alakamisy mankamin’ny Zoma. Nahavariana fa tamin’io fotoana io dia tsy nikajy ihany koa aho. Nisy fihenany manko ny isan-jaton’ny vaton’ny filoha nefa mifanakaiky tamin’izany dia niakatra be ny isan-jaton’I Lahiniriko. Andeha soratako eto hampahazava kely antsika.
Ny tombon’isan’ny mpifidy voasoratra anarana dia 650017
Ny isan’ny vato nanankery dia 215.756 ( 57.22%)
Ravalomanana Marc______84.072  ( 38.97%)
Lahiniriko Jean __________63.594 (29.47%)
Ratsirahonana ____________6.237 (2.89%)
Ratsiraka Iarovana Rolland  14.963 (6.93%)
Razafimahaleo Herizo_____22.606 (10.48%)
Rakotoniaina Pety_________1889 (0.87%)
Randrianjohary Jules_______1414 ( 0.66%)
Rajakoba Daniel___________2.424 (1.12%)
Andriamanjato Ny Hasina___11.268 (5.22%)
Tsiranana Philippe____________8
Razakarimanana Ferdinand_____0
Monja Roindefo______________0
Manandafy Rakotonirina _____590 (0.27%)
Elia Ravelomanantsoa______6.690 (2.53%)

Jereo tsara ny isanjaton’ny filoha sy Lahiniriko fa tena tsy mifanalavitra loatra. Mety ho nahataitra ny minisiteran’ny ati-tany io zavatra iray io…

Etsy ankilany ihany koa dia efa be angamba ny nahita ilay naoty nataon’ny minisiteran’ny fampianarana nandidy ny sefo ZAP sy sefo CISCO ary ny DREN rehetra manerana ny nosy hanangona sy handefa any amin’ny minisitera ny vokatra any amin’ny kaominina ankodahoda rehetra any mialoha io andro Zoma io indrindra. Tsy ny PV akory no tadiavina fa ny fampitana ny vokatra ihany. Izany hoe raha marina io naoty io dia tokony ho efa nahafantatra ny vokatra ry Haja minisitry ny fampianarana sady talen’ny fampielezan-kevitra ary miandraikitra ilay orinasa malaza be fa miandraikitra ny fikirakirana ny voka-pifidianana (digit mg).

Dia lasa ny saina mieritreritra hoe niandry ny vokatra avy amin’ny Talen’ny fampielezakevitry ny filoha Ravalomanana ve ny ati-tany vao nanohy namoaka ny vokatra indray avy eo rehefa natoky fa ho azony fihodinana voalohany izy ity sa dia tena fifanandrifian-javatra fotsiny.

Ataoko fa efa hitan’ny rehetra ny vokatra farany. Nitombo 407.049 noho izay isa nomena tamin’ny voalohany ny isan’ny nisoratra anarana. Ny atsasa-manila izany dia lasa 4.434.877/2 = 2.217.439. Taiza ho aiza io isa io no nihoarana? Teo anelanelan’ny alakamisy atoandro sy ny alakamisy hariva no azo…eo anefa dia fotoana mbola tsy tena nahalalana marina hoe efa azo ve ny atsasa-manila sa tsia? Eritreritra tsy tana nefa ny ahiahy mamosavy hoy ny teny.
Nosoratan'i jentilisa

Ary ny averiko farany etoana dia ny nosoratako tamin'ny 12 desambra 2006 nanoratako ny tsy fahazakan'ny mpifaninana ho resy tamin'ity fifidianana ho filoham-pirenena ity

Hazakazaka

Eto ampanombohana aloha dia miarahaba etoana ny filoham-pirenena ankehitriny nahatratra ny faha-57 taona nahaterahany androany. Tahaka ny maro amin’ny mpiantso ao amin’ny karajia ihany aho eto amin’izany fiarahabana izany.
Manaraka izany, na dia efa tapitra aza ny fanisana ary efa nandresy tamin’ny isan-jato 54.80% aza ny filoha Ravalomanana dia manomboka miteny amin’izay ny kandida nifaninana taminy hafa. Voalohany tamin’izany ny filazan’Atoa Lahiniriko fa nampitomboana ny mpifidy teto Antananarivo ary nahena kosa ny mpifidy any amin’ny faritany. Narahin’ny kandida Ratsiraka moa ny lehilahy tamin’io fitarainana io. Mampahatsiahy ilay fanisana tamin’ny taona 1994 na 1995 tany ho any izay nahafantarana voalohany indrindra fa ny faritanin’Antananarivo no be mponina indrindra talohan’ny faritanin’ny Fianarantsoa.

Nialoha io fotoana io manko dia Fianarantsoa hatrany no be mponina indrindra. Taorian’ny raharaha 1947 no niandohan’izany fahabetsahan’ny mponina tao Fianarantsoa izany. Efa nentin’ny mpanjanatany Frantsay izy io nangalaram-bato tamin’izany fotoana izany (eny nangala-bato tokoa ry zareo taorian’ny raharaha 1947). Nitohy ny fanehoana ny isan’ny mpifidy ho Fianarantsoa no betsaka noho ny faritanin’Antananarivo nandritra ny Repoblika voalohany sy ny repoblika faharoa. Tao no tena nahazoan’ny teo amin’ny fitondrana vato be indrindra ihany koa afa-tsy izay nanjakan’ny MFM. Fa rehefa natao kosa ny fanisana tamin’ny fotoana nitondran’ny filoha Zafy Albert dia niharihary tamin’ny rehetra ny ahiahin’ny maro (nanodidina ahy indrindra indrindra).

Manaraka izany ny Kandida Lahiniriko moa nilaza fa tokony ho 13% ny vato azony araka ny fanisan-dry zareo azy ary 49.23% kosa ny an’ny filoha Ravalomanana. Izay ihany no fantatra fa tokony ho nasehony ny isan’ny mpifidy, ny isan’ny tonga nandatsa-bato ary ampitahaina avy eo ilay vokatra. Ny fitoriana moa dia tokony hipetraka any amin’ny HCC. Efa hita hatreo amin’ny distrika ny vokatra ary avy amin’ireny no hanaovana fampitahana ary hahitana izay kajikajy diso. Enga anie hanazava azy io bebe kokoa ry zareo. Io dia araka ny efa nosoratako taloha ihany. Rehefa tsy misy ny fampitam-baovao isan’andro amin’ny alalan’ny haino aman-jery ahafahan’ny olona manara-maso tsara ny fifidianana sy ny vokany dia sarotra ny hinoan’ny olona izay lazainao. Rehefa mipetraka hitan’ny be sy ny maro ny porofo mety hino anao ny maro an’isa. Raha tsy izany kosa dia heverin’ny maro ho mpanakorontana fotsiny ianao. Mahatonga ny olona hanampy ahiahy moa indrindra indrindra ny fiarahanao indray amin’ireo kandidan’ny 0% sy ingahy Razakavonison anisan’ny mpikarakara voalohany ilay nalaza ratsy tery amin’ny kianjan’Alarobia.

Etsy ankilany indray ny kandida Ratsiraka tao amin’ny RFI androany maraina nilaza fa nampitomboina taorian’ny fahatapahana tamin’ny Zoma lasa teo ny vato azon-dRavalomanana. Io fanampin’isa 407.049 efa voalazako io moa dia tsy mampiova loatra ny isam-bato azon’ny filoha loatra araka ny fijeriko azy. Andeha atao hoe tena tsy nahazo isa intsony izany ny filoha fa tena fanampin’isa tokoa ny 400.000 (350.000 aloha ny isa notenenin-dRatsiraka e! izay ary dia efa diso ny azy koa). Ny vokatra farany azon’ny filoha dia 2.430.489. Raha izaho no mampihena io ho 400.000 ( fa tsy 350.000) dia lasa 2.030.489 io izany. Io isa io anefa dia efa nihoarana tamin’ny vokatra alakamisy maraina satria 2.096.935 ny isa azony tamin’io fotoana io. Izay dia efa tsy mampitombina ny teniny saingy ny RFI moa dia efa mihazakazaka izaitsizy amin’ny resaka natao handany jiro hoy ny fitenenana izany.

Fa ny niteny fahatelo kosa ny mpanohana ny kandida Ratsirahonana. Nitaraina indray izy fa ny 80%n’ny tokony hifidy azy dia tsy tafiditra ao anaty lisitra. Dia resaky ny tsy mahatanty ny laharana misy azy koa angamba no tena marina. Efa saiky voasongon’ny kandida Ny Hasina Andriamanjato aza izy, nefa io kandida saiky nahatratra azy io dia tsy nandeha nanao ny fampielezan-keviny loatra. Ny hevitra naborany moa dia ny filazany fa ny mpikambana Avi aza efa mihoatra ny 300.000 ka dia gaga amin’io isa io izy. Mahavariana ilay teny! Aiza indray moa no tiany hahatongavana? Mihevitra amin’ny alalan’io isan’ny mpikambana io ve izy izany fa tokony ho izy ihany koa no faharoa fa tsy Lahiniriko na Ratsiraka? Ny Monima ihany koa dia nilaza Atoa Monja Roindefo fa 500.000 mahery ny mpikambana ao aminy. Fa lasa aiza avokoa ireo no 9 sisa hita? Marina kosa aloha fa tsy tafapetraka teny amin’ny biraom-pifidianana ny vatony nefa tsy mahazo manantena avy hatrany izy fa hahazo ny 500.000 isa. Samy manana ny safidiny ny tsirairay. Mino ihany koa ve izy fa raha hisy ny fihodinana faharoa ary ka mampifidy Lahiniriko na Ratsiraka ny Avi dia hanao izany tokoa ireo izany nifidy azy? Manao tsipaky ny miala aina angaha no azo heverina amin’ny fihetsiny mitsapa ny hevitry ny olona amin’ny alalan’ny depiote Liva Raharison ity.

Farany raha misy ny tratran’ny tsy fahatomombanan’ny lisitra sy ny karatra dia tafiditra avokoa ny rehetra ary hifandraindraika amin’io isan-jato io ihany.


Ny laharan’ny didy fisamborana ny Jeneraly fidy dia n° 21 315 RP/06 tamin’ny 19 novambra. (tamin'ny 13 desambra moa no tratra ny jeneraly Fidy)

Nosoratan'i jentilisa


Dia izay sy izay ny nosoratako etoana, lava dia lava ka mety ho namparary an-doha, nefa navelako hodinihinareo mianakavy. Marihiko indray fa raha te-hametraka hevitra ianareo dia soraty amin'ny vakiraoka aloha (brouillon) ny hevitrao. Rehefa hametraka ny hafatra mihitsy ianao vao ankotrihinao (actualiser-nao) aloha ny pejy hiovan'ny Authimage dia apetrakao ny hafatrao ary fenoina ny banga fa tokony hanaiky amin'izay izy. Aza fady ho an'izay tratran'io hoe tsy mahazo mametraka hevitra io raha elaela ianao mamaky teny na manoratra dia misy fe-potoana izay io dia lasa voasakana ny hafatra alefanao.



jentilisa, Antananarivo 11 oktobra 2009 amin'ny 2:06 maraina

Legalista hatraiza moa ianao?

2009-10-08 @ 23:05 in Politika

Na dia mety ho fohy dia fohy aza ny resako eto dia ataoko fa ilaina ihany ny mampahafantatra ireto nandany ny alina nikarohako azy ireto. Mazava loatra fa nisy sombitsombin-tadidy matoa tahaka izao no endrika hitako ary mety hisy koa ny tsy fantatro fa isika no mifanampy sy mifanoro eto.

Legalista hatraiza moa ianao? Raha izaho manokana dia legalista aho eo amin'ny sehatry ny firenena aloha voalohany indrindra. Manaja sy mankatò izay heverina ho lalàna mipetraka eto amin'ny fireneko dia i Madagasikara aho. Eo amin'ny zoko dia nomena adidy aho hifidy izay olona hitondra ahy, na eo amin'ny tanànako, na eo amin'ny fireneko. Tsy nifidy ilay olona nitondra ny tanànako (Antananarivo) aho saingy vitsy an'isa tamin'ny fifidianana. Noho izany, manaiky ny tapaky ny maro an'isa aho. Eo amin'ny sehatry ny firenena indray, nifidy ny olona nofidiana ho filoham-pirenena aho, saingy nisy nisomptra am-pamitana ny asany izy. Tsy ekeko izay fanosihosena ny zoko, nataon'ny sasany izay ka dia nijoro aho nanohitra ny fanonganam-panjakana ary manohitra mandraka androany. Enga anie hanohy avokoa ianareo rehetra.

Fa ny tsy tsy misongadina loatra dia mbola legalista ihany aho indrindra fa eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Manambara mazava eo amin'ny andininy fahaefatra ny satan'ny Vondrona Afrikana, laharana (p) fa Melohiny sy tsipahiny ny fiovam-pitondrana tsy mifanaraka amin'ny Lalampanorenana, ary dia mankasitraka sy mampanaja io voasoratra io aho. Ao amin'ny laharana (h) dia mananjò ny Firaisambe Afrikana ny hiditra an-tsehatra rehefa misy toe-draharaha tena manahirana. Marina fa tsy mbola tonga any amin'ny fifamonoana isika sady sanatriavina rahateo izany fa misy ihany koa ny (i) fahazoan'ny firenena mpikambana vitsivitsy ao anatiny mangataka ny fidiran'ny Firaisambe Afrikana an-tsehatra hamerenana amin'ny laoniny ny fandriampahalemana sy ny filaminana.

Misoritra ao amin'ny satan'ny Firaisambe Afrikana vita tany Lomé tamin'ny 11 jolay 2000 noho izany fa tsy ekena ny fanonganam-panjakana, na dia ny fiovana tsotra tsy mifanaraka amin'ny Lalampanorenana aza (nandika io koa noho izany ny filoha Ravalomanana). Nisy ny nanao fanamarihana fa anisan'ny fiovana lehibe tao amin'ny Satan'ny Firaisambe Afrikana (UA) io fahafahana miditra an-tsehatra io raha tsy azo natao kosa tamin'ny Lalampanorenan'ny OUA. Izay no nampiato an'i Madagasikara indroa miantoana (2002 sy 2009). Ny an'ny SADC moa dia tsy voakaroko intsony saingy heveriko fa efa ampy aloha iny.

Mariho fa tsy hitako, iaraho mitady hoe azafady indrindra, ao amin'ny Fifanarahan'ny Cotonou ifanarahan'ny Vondrona Eoropeana amin'ny Vondrona Afrika, Pasifika, Karaiba, loatra ny fanamelohana ny fiovam-pitondrana tsy mifanaraka amin'ny Lalampanorenana ao amin'ny firenena fa manohitra kosa ny fakana mersenera, fividianana fitaovam-piadiana mahery vaika ary miady amin'ny fampihorohoroana. Ny Fifanarahan'i Cotonou moa no dimbin'ny Fifanarahan'i Lomé nosoniavina tamin'ny febroary 1975 tsy nilaza na inona na inona amin'ny fepetra politika.


Ny fitiavan-tanindrazana tsy midika ho fankahalana vahiny

Misy ankehitriny ny milaza azy ireo ho Vondrona Mpiaro ny Fiandrianam-pirenena (VMF), manondro ny tenany ho tia tanindrazana, fa ny hafa nitady vahaolana niaraka tamin'ny vahiny kosa heveriny fa mpiankina amin'ny vahiny mitady hanjanaka an'i Madagasikara. Izay no tsy ankasitrahany velively ny fidiran'ny vahiny handamina ny raharahan'i Madagasikara, nefa ny firenena dia efa nanasonia manaiky ny voalazan'ny Satan'ny Vondrona Afrikana. Diso hevitra avokoa noho izany izay rehetra milaza fa tsy misy Vondrona afa-mitsabaka amin'ny tokantranon'ny firenena iray tandindonin'ny fikorotanana sy ny ady an-trano (tsy misy antony idirany kosa raha milamina tsara sy mandry fehizay ny firenena). Mpankahala vahiny izy amin'io fotoana io fa tsy tia tanindrazana velively.

Izaho kosa manaiky ny fanelanelanana ataon'ny vahiny, satria nantsoina izy ireo, na dia tsy mahafa-po velively aza ny vokatra avy tao noho ny hamehan'ny sasany. Izay nosoniavina dia toavina, noho izany raha lasa filohan'ny tetezamita i Andry Rajoelina, noho ny voasoratry ny Satan'ny tetezamita voasonia tao Maputo dia tsy tokony hanakana velively ny firotsahany hofidiana ho filoham-pirenena aho. Manandanja lehibe amiko, noho izany, raha tsy manasonia izay mpandala ny tsy fanekena ny hitondran'ny mpanongam-panjakana ny firenena. Ohatra ratsy ho an'ny hafa sy ho an'ny taranaka izany ka tsy tokony ho ekena. Misy ny zavatra azo ekena fa io fanonganam-panjakana io kosa, amiko, tsy tokony holeferina velively.


Ny Legalista no taranaky ny MDRM eo amin'ny fomba fitolomana

Misy ny zavatra tsara marihina eo amin'ny tantaran'i Madagasikara, mifandraika amin'ny tantaran'izao tontolo izao. Tsy hoe nosy isika dia tsy hijery afa-tsy ny eto, fa ilaina ihany koa ny mijery ny eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Efa manamora izany koa ankehitriny ny aterineto. Ny MDRM raha nanao ny tolony araka ny lalàna dia nifototra tamin'ny fifarahana iraisam-pirenena. Tsy atao mahagaga noho izany raha narangarangan'ny dokotera Ravoahangy sy ny dokotera Raseta ny Satan'i Atlantika ahafahan'ny mponina manapa-kevitra ny amin'ny endri-pitondrana tiany izay mampirona be dia be ho amin'ny fahafahana manome fahaleovantena ny zanatany. Tsy izay velively anefa ny ao an-tsain'i Frantsa Afaka koa dia nanao fivoriana tao Brazzaville ry zareo mametraka fa akarina ho avo kokoa ny fampanajana ny zon'ny olon'ny zanatany.

Ny MDRM eo amin'ny olomboafidy noho izany dia mijery ny sehatra iraisam-pirenena fa tsy variana miondrika amin'ny raharahan-tokantranon'ny tena. Nisinisy ihany anefa ireo tsy nahatakatra izay fomba fijery toa milamina izay fa babon'ny filazana manao hoe tsy misy fahaleovantena azo raha tsy misy ra latsaka. Ny avy amin'ny fikambanana miafina tarihin'ny Jina sy ny Panama nisovoka tao amin'ny antoko MDRM no tena nandrisika io foto-kevitry ny ady io. Nisara-kevitra tsy mbola nisara-dalana ny mpiara-mitolona ka izay no niteraka ny 29 marsa 1947.

Fa inona no ilàna izany resaka rehetra izany? Misy manko ireo mihevitra  fa raha tsy manaiky ny hanasonia ny notapahin'ny GIC ny filoha Ravalomanana noho i Andry Rajoelina notondroina ho filohan'ny tetezamita dia noho ny fankahalana manokana sy ny tantara hoe efa niaraka hoe ny zanakavavin'ny filoha sy ingahy kely ity. Tsy any velively ny resaka fa adidy amin'ny fampanajana ny fifanarahana sy ny lalàna iraisam- pirenena no antony lehibe handavana ny mpitarika ny fanonganam-panjakana tsy hitantana ny firenena.


jentilisa 09 oktobra 2009 amin'ny 01:09

Miomàna hirotsaka an-dalambe amin'izay!

2009-10-06 @ 20:56 in Politika


 
Misy fotoanany avokoa ny zava-drehetra. Teo aloha aho dia tsy nanaiky na oviana na oviana ny hirotsahan'ny mpomba an-d Ravalomanana Marc an-dalambe, tsy nekeko ny fitsenana teny Ivato sy ny fandehanana eo anoloan'ny Hotel Carlton ny andron'ny talata 6 oktobra 2009. Niezaka ny hanatratra ny fanombohan'ny hogahogan'ny Otrik'afo sy ny tariny aho tamin'io andron'ny talata io. Tsy hitako izany baomba mandatsa-dranomaso izany, tsy hitako izany sora-baventy manohitra an'i Andry Rajoelina izany. Ireny sora-baventy nanonona an'i Andry Rajoelina ireny no tsy zakan'ny mpitandro ny filaminana ka noraofiny ary tsy tratrako rehefa noheveriko.

 
Dia toa mbola nijanona teo an-toerana ihany ny roa tonta. Notsinjoviko aloha fa raha ny fijery azy teo dia ny mpitandro ny filaminana no maro an'isa kokoa noho ny mpanao fihetsiketsehana teo ampita. Tsy nampaninona an-dry zareo anefa ny hoe SADC OUT sy ny GIC OUT. Toa misy fifanarahana miafina efa vita tany ho any ka nahatonga ny filoha Ravalomanana nitroatra an-gazety mandrakariva mitsipaka izany fanapahan-kevitra toa efa voaomana mialoha izany.
 

 
Toy ny efa ivelan'ny sehatra i Monja Roindefo aloha amin'izao fotoana izao. Miasa mafy ny hery sasany hahafilohan'ny tetezamita an'i Andry Rajoelina amin'izay. Nisinisy ihany anefa amin'ny mpanohana azy teo no nanam-pahatezerana taminy ihany. Heveriko noho izany, fa raha tsy zakan'ny mpitandro ny filaminana ka noraofiny ny sora-baventy manohitra an'i Andry Rajoelina dia nisy baiko tany ambadika tany hanaisotra ireny sora-baventy ireny. Izay no fanararaotra ary tokony ho ny andron'ny alarobia 07 oktobra 2009 no hanaovana ity hetsika ity! Sorabaventy mitsipaka an'i Andry Rajoelina, manohitra ilay zalahy io tsy ho filohan'ny tetezamita na oviana na oviana. Raha tsy nisambotra mpanao fihetsiketsehana ny mpitandro ny filaminana ny talata fa nanaparitaka fotsiny dia tsy tokony hisambotra ihany koa ry zareo ny andron'ny alarobia. Tohero ny mpanimba zavatra fa tsara ho hitan'ny vahiny amin'izay ny tsy fankasitrahana izany lehilahy antsoina hoe Andry Nirina Rajoelina izany.
 

 
Izay ihany no takiantsika fa tsy hitaky zavatra hafa aloha isika. Izay no soso-kevitro, manaraka ny vanim-potoana, koa anjaran'ny tsirairay no mieritreritra. Misy ihany ny olana: iza no mpitarika sahy hosamborina, ka tsy mandositra miala mihitsy fa toa tsy mba nosamborina i Rajaonah Andrianjaka filohan'ny Otrikafo? Olana faharoa: tsy manana haino aman-jery ahafahana manentana io fihetsiketsehana an-dalambe eny Anosy io isika. Haino aman-jery manentana vetivety ny olona ho tonga eny Anosy tsy hanaiky an'i Andry ihany no ilaina amin'izao fotoana izao, fa tsy miresaka GIC na SADC. Now is the Time!

Fanamarihana: Ny zava-dehibe eto dia ny hamoahana ny hevitsika na dia hiharihary aza fa horavana ny hetsika atao. Na ferana ho ora iray ihany ny fotoana. Ora mahafaka ny rehetra no kendrena ary tafita amin'ny rehetra ny hafatra! 
 
jentilisa, 6 oktobra 2009, amin'ny 23:00 ora Antananarivo

Ny Andraikitry ny Mgr OMAR tamin'ny fanonganam-panjakana

2009-10-02 @ 15:52 in Politika

Fanamarihana voalohany: Ny hoe OMAR dia fanafohezana ny anarany manontolo manao hoe Odon Marie Arsène Razanakolona. Ity sombin-gazety asehoko anareo ity dia tao amin'ny gazety Taratra tamin'ny talata 29 septambra lasa teo. Nanaitra ahy io lahatsoratra io satria hafa mihitsy ny fandraisako azy ary heveriko ho sopapa nomen'ny mpanao gazety ny mpamaky azy ny hafatra ampitainy.
 


Amiko tsy famahana krizy no tena nihaonan'ny roa tonta ny alatsinainy fa fitadiavan-kevitra amin'izay hanohizan-dry zareo ny tolona. Tsy miasa hamaha ny olana velively ny Mgr OMAR fa mametraka kosa ny teti-panorony. Vakio ary fa herintaona katroka nialoha ny fanonganam- panjakana, izany hoe ny 17 marsa 2008, dia nandray ny mpanao politika nankahala an-dRavalomanana tao amin'ny birao fiasany tao amin'ny Katediraly ny Mgr OMAR. Tsy nisy nipika ny resaka nifanaovana. Nitohy indray izany fandraisana ny mpanao politika izany ny 23 septambra 2008.

Lasa lavitra avy hatrany ny saina mieritreritra fa nanomana ny fanonganam-panjakana ry zareo nandritra ireo fotoana ireo. Ny eritreritra nolasa fa tsy midika avy hatrany hoe izany tokoa no izy an! Efa vita tsara sy voaomana ny tetika rehetra. Noho izany, azo heverina fa naniraka ny lefiny hankeny Andoharanofotsy (tranon'i Alain Ramaroson) tokoa ny Mgr OMAR tamin'ny voalohan'ny taona 2009, raha nahatsiaro ianareo fa tonga saina tampoka izy sao tratra ny tetika dia mody nandà ny nanirahany ny lefiny. Manome hafatra ho an'ny mpino katolika ihany koa anefa iny toe-javatra iny hoe miomàna hitolona fa nahazo tso-drano avy amiko ireto mpitolona ireto. Asa ahoana ny hevitrareo?


jentilisa 02 oktobra 2009 amin'ny 17:55
 
PS: Nisy malagasy avy teto Madagasikara nanatrika ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana faha-64 tany New York farany teo, tsy voatosi-boho-tanana fa nanaraka ihany koa ny fivoriamben'ny G20 na Goavana20. Araho ato ny sary sy ny lahatsary tamin'izay hitany raha mahaliana anao.
 

Tenenina foana fa he-e-eh: Rehefa tsy hendry dia miadia

2009-10-01 @ 23:20 in Politika

Maro zavatra tian-ko tenenina aho fa misy ny laharam-pahamehana angamba dia ny sabotsy 3 oktobra sy ny tohiny aloha no tiako tsinjovina. Miala tsiny dieny mialoha aho fa hasiaka, ary matoa manao izany aho dia fitiavako tsy hahamaty momoka ny tolona no antony. Ny mpanaraka ity bolongana ity dia mety hahatsiaro tsara fa efa nisy lahatsoratra nosoratako mitondra ny lohateny hoe : "Madagasikara: Hetsika lehibe amin'ny Asabotsy 3 oktobra 2009". Tery aho nanoratra tamin'iny fotoana iny satria toa adinodino ny famondronana na famoriana ny legalista etsy Ankorondrano. Ninia aho nanoratra mialoha tamin'io fotoana io hoe ao Ankorondrano Magro ihany no fotoana ifanomezan'ny rehetra. Ny toeran-kafa rehetra raha amin'izao fotoana izao, amin'ny fijeriko manokana, dia fandrika ho an'ny legalista hatrany... na dia misy aza izay lazaina fa fanomezan-dalana. Olona tsy mitana ny teniny sy tsy manome hasina ny soniam-pifanarahana norangotiny ve no hitokisanao?

Ianareo angamba ataoko fa efa nahatsikaritra avokoa fa tsy ankasitrahako mihitsy ny fivoahana an'i magro, ary tsy voatery ho tsy fitokisako ny ankolafy roa hafa, fa ny legalista hatrany aloha no voaenjika sy mahazo baomba mandatsa-dranomaso isak'izay mandeha toeran-kafa. Voalohany, raha niezaka ny hametraka teti-panorona tsikelikely teto aho tamin'ny alakamisy 10 septambra 2009 tamin'ny alalan'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe : "Inona aloha no atao raha hampandroso ny tolona?" ,dia tratran'ny hazakazaka arahin-tosika tamin'ny alalan'ny fahatongavan'ny solontenan'ny ankolafy Zafy Albert tao amin'ny Magro. Vokany, faly ny olona fa handeha ho any Ambohijatovo indray. Nandika avy hatrany ny efa nosoratako tao hoe: "Nampitandrina aho ny tsy idirana na oviana na oviana amin'izay mety hitarika herisetra, na ny fanaovana herisetra satria fantatra ny tsy fahatomombanan'ny fifandaminana ao amin'ny tolona hamerenana ny ara-dalàna" ny zavatra natao. Moa tsy izay indrindra ve no nitranga tamin'ny zoma 11 septambra 2009 sy ny asabotsy 12 septambra 2009? "Tenenina foana fa he-e-eh!"

Nandritra ny herinandro dia nilalao ara-kiafina sy fanenjika tamin'ny mpitandro ny filaminana, nanome vahana ny mpanakorontana teny Analakely fotsiny, ireny mpanakorontana ireny anie ny hanao barazy hakana vola no mahamay azy fa tsy mahalala izay tolonao any izy e!  Nandeha teny ny andro, teo dia tsy fantatra loatra, varimbariana ve ny mpitolona sa leon'ny baomba mandatsa-dranomaso, fa tena adino mihitsy ny fivoriana fifanentanan'ny mpiara-mitolona. Nitendry vatamarobokotra (clavier) indray ny tena handefa ny hafatra mitondra ny lohateny hoe: "tsy henatra akory ny maka bahana" tamin'ny 18 septambra 2009 satria nilaina ny fanetre-tena hiverina indray eny Ankorondrano Auditorium. Nandritra io fotoana io tokoa, nifanentana ny olona ary nandefa antso tamin'ny radio mba hisian'ny hetsika eny Ankorondrano indray. Nohenoina ny antson'ny maro ary dia notanterahina indray izany ny alakamisy 24 septambra 2009.

Tonga tokoa ny fotoana, mbola tsy maro tahaka ny taloha ny olona tonga teo, tsapa ho ningaingaina fatratra anefa ny andro ary dia ny hain'andro izany no tena mianjady amin'ny mpitolona. Mbola tsy vory tsara akory ny mpitolona rehetra dia raikitra avy hatrany indray ny filazana tamin'io fotoana io fa nanao taratasy fangatahana ny kianjaben'i Mahamasina ny ankolafy telo tonta (fomba filaza fa toa ny ankolafy Zafy Albert sy ankolafy Ravalomanana ihany no hitan'ny olona) ary ekena izany ho amin'ny asabotsy 26 septambra 2009. Inona sahady ary ity, hoy aho anankampo, ary dia niteny tamin'ny olona akaiky ahy aho hoe jereo tsara raha hisy izany Mahamasina izany fa ny miaramila sy ny zandary indray no te-hitoratoraka baomba mandatsa-dranomaso aminao, mba tsy ilazako hoe atosiky ny mpitarika indray isika mba hitomany sy ho leon'izany mitolona amin'ny alalan'ny fivoriana eny Ankorondrano izany. Tsorina etoana fa tamin'io andron'ny alakamisy io dia nihorakora-pandavana ny legalista tonga tao Ankorondrano fa ireo mpitarika tao no nanitrikitrika fa efa am-pelatanana mihitsy ny taratasy. Tsy teto an-toerana ny tena tamin'io fotoan'ny asabotsy manaraka io saingy iarahan'ny rehetra mahalala ny tohiny. Dia voafandrika indray ny legalista ka hoy aho nisento hoe: "Tenenina foana fa he-e-eh!"

Amin'izao fotoana izao indray, taitaitran'ny hevitry ny sasany hoe hitsena ny solontenan'ny SADC  amin'ny alalan'ny horakora-panoheran'ny dinôzôro politika vitsivitsy milaza ny tenany ho "Herin'ny fanovana" eny amin'ny lalana andalovan'ireo vahiny ireo hatreny Ivato izao indray ny "sasantsasany" amin'ny legalista, sy ny mpitarika azy, dia tsy te-hanaiky lembenana fa mihevitra hitondra sora-baventy hitaky ny fampiharana ny satan'ny tetezamita nosoniavina tany Maputo ihany koa. Asangodingodin'ny haino aman-jery amin'ny Asabotsy na alatsinainy na talata ireo mpanelanelana ireo no ho avy dia efa saritaka ho an'izay mihevitra ny handeha any indray izany. Dia mbola tsy hinoan'ny legalista teny indray ve aho raha hilaza fa mbola fandrika mivelatra ho azy, hivoaka ny kianjan'ny ara-dalàna eny Ankorondrano, indray izao mody fanentanana hitsena ny ahiny eny Ivato izao? Voalohany: raha samy ho tonga eny ny roa tonta dia tsy maintsy hisy ny fifandrangitana ary hisy ny tsy hahatanty, na mody misy mandefa tora-bato tampoka avy any dia fifanjevoana tanteraka no no tohiny, tsy hanelanelana velively ny mpitandro ny filaminana fa hanampy ny TGV. Noho izany: raha mba manana fahendrena tsy hampifandrafy ny samy Malagasy ihany koa ny milaza ny tenany fa mpitondra eto Madagasikara dia manana adidy handrara ny rehetra tsy hanao fihetsiketsehana amina toerana iray (Ivato seranana) amin'io fotoana io.

Raha mitady ny hisian'ny ady an-trano eto Madagasikara indray moa ry zareo dia tokony hanao fanentanana makotroka amin'ny fitsenam- panoherana ny SADC izay tiany atao. Dia tahaka izany ihany koa no lazaiko amin'ny legalista rehetra na mpitarika na olo-tsotra: raha tianareo ny hisian'ny ady an-trano nefa ianareo tsy manana fitaovam-piadiana mba hiarovan-tena mifanentàna hitsena eny Ivato seranana ihany koa, fa tsy mijanona eo amin'ny Magro Ankorondrano, mba hanaovan'ny sasany tambabe sady lavidavitra ihany ny toerana. Ny ahy moa ny mba faniriako ao anatin'izany rehetra izany dia ny tsy hitenenako fanintelony (Jamais deux sans trois moa?) hoe: "Tenenina foana fa he-e-eh!"


jentilisa, Antananarivo 02 oktobra 2009 amin'ny 01: 22 maraina

Madagasikara: Hetsika lehibe amin'ny Asabotsy 3 oktobra 2009

2009-09-22 @ 10:46 in Politika

Antsoina ny Malagasy rehetra mpanara-dalàna sy mandà hatramin'ny farany ny fanonganam-panjakana eto Madagasikara sy manerantany hanomana ny fanehoan-keviny talaky masoandro amin'ny Sabotsy 3 oktobra 2009 ho avy izao indrindra indrindra. Ny fihaonana dia hanomboka amin'ny 11 ora atoandro ary hofaranana amin'ny 2 ora folakandro raha ela indrindra na mety ho fotoan-gasy aza ny fanombohan'ny fotoana. Entina amin'izany fotoana izany ny sainam-pirenena malagasy. Fotoam-pivavahana ho an'ny firenena no hanombohana ny fotoana, tsy atao betsaka ny kabary fa ny fanentanana isan-karazany no tena andravahana ny fotoana.

Ho an'ny eto Madagasikara manokana dia entanina avokoa ny isan-tanàna. Ny eto Antananarivo sy ny manodidina ary ireo izay manam-pahafahana ho tonga aty Antananarivo hanao ny fihaonana ao amin'ny Magro, na kianjan'ny ara-dalàna Ankorondrano. Entano ny namana sy ny tapaka rehetra fantatrao ho tonga amin'io fotoan-dehibe io satria iankinan'ny fiainam-pirenena mandrakariva ny fahatongavanao. Tsy hihoatra ny vala isika fa hanamafy kosa ny hampiharana satan'ny tetezamita notontosaina tany Maputo. Asehontsika fa tsy vondrona na antoko be tsy andraofana tsara hakana hevitra fa ny vahoaka malagasy iray manontolo.

Miala tsiny aho raha manao io lohateny sy io lahatsoratra io. Tsy fikambanana na ny hetsika mpanohana ny ara-dalàna na ny antoko ao aminy no miantso io hetsika io fa izaho izay manoratra. Ao anatin'ny teti-panorona isika koa dia manetsika vato aho hiasan'ny rehetra ao anatin'izao toe-draharaha politika eto Madagasikara izao ka na tokony ho soso-kevitra aza izy io dia lasa fanerena mihitsy. Amin'io fotoana lazaiko io no fotoana heveriko fa mety hisehoan'ny mpitarika rehetra izay voatery miafina miseho eo anatrehan'ny olona, ary tsy tokony hatahotra ny hosamborina indrindra indrindra. Raharinaivo Randrianatoandro irery ihany no nandray ny andraikiny (nifafa ny kihony)  tamin'izay nataony na dia ny mpitarika legalista rehetra aza no voafandrika tamin'ny 11 septambra 2009 lasa teo. Anaovana ramatahora ny hosamborina hatrany ve dia nilefitra tokoa? Olana eo amin'ny ankolafy Ravalomanana ny tsy fananana olona sahy miatrika nefa tsy manao herisetra na mampirona ho amin'ny herisetra. Hitako ihany ny mpitarika sasantsasany tamin'iny 11 septambra 2009 iny, teo anoloan'ny kianjan'ny 13 mey teo, be hevitra amin'ny hoe "tokony hanao tahaka izao na tahaka itsy" ireo andian-jatovo teo anoloan'ny Hotel Glacier, nefa tsy olonao akory ireo ary efa feno mpitsikilo mpampirisika manodidina anao. Ny tena mpitarika dia eo alohan'ny rehetra, mahafehy ny miara-dia aminy ary mahasahy manohitra sy misambotra ihany koa ireo mpitoratoraka sy mpanakorontana fa tsy manao tazandavitra fotsiny. Ataovy ho ohatra indray eto i Malcom X.

Eo ankilany ihany koa ny fandambolamboana avy amin'ny ankolafy hafa tsy hanao fihetsiketsehana intsony mandra-pahatongan'ny 6 oktobra hiheverana ny momba an'i Madagasikara hotontosaina eto Antananarivo, hanaporofoana eo amin'ny vahiny mandalo amin'io fotoana io fa efa manaiky ny FAT, na nilefitra eo anatrehan'ny FAT avokoa ny vahoaka rehetra. Mbola hanaiky hofitahina fanindroany amin'ny fitaritan'ny hafa indray ve? Sa rehefa tsy manohy ny hetsika ampahibemaso intsony mandra-pahatongan'io 6 oktobra io dia deraina hoe "hendry"? Fa rehefa tsy hanao na inona na inona kosa aloha amin'io fotoana io dia efa filavoana lefona ankitsirano tsotra izao izany. Tsy aleo ve isika miala nenina amin'ny fanaovana fihetsiketsehana amim-pilaminana mba hisorohana ny fihetsika famoizam-po izay mety hitranga amin'ny olona?

Mandra-pahatongan'izany fotoana izany kosa indray dia entanina ny be sy ny maro hifehy tapa-damba manga tanora ( lokondanitra atoandro), na hisalotra akanjo manga rehefa miantsena, handeha hianatra, handeha hiasa, hitsangantsangana na ho aiza na ho aiza ho mari-mpifankafantarana sy ho fanehoana fa manohitra ny jadona sy ny fanaovana herisetra isika. Raisiko etoana ny soso-kevitr'i Pov amin'ny hanaovana izay mari-pamantarana izay. Raha misy ny manana soso-kevitra tsara amin'ity zavatra iray ity dia raisina an-tanandroa izany. Manomboka ny alatsinainy 28 septambra kosa indray no anaovana ity mari-pamantarana ity. Ilazao ihany koa ny namana sy ny sakaiza rehetra. Soso-kevitra avokoa izay rehetra nosoratako izay fa anjaran'ny tsirairay indray no mieritreritra sy mifampidinika.


jentilisa, Antananarivo 22 septambra 2009 amin'ny 12: 50 atoandro

Tsy henatra ny maka bahana!

2009-09-18 @ 10:02 in Politika

Efa tokony ho tamin'ny alatsinainy 14 septambra 2009 no efa niverina teny amin'ny kianjan'ny ara-dalàna avy hatrany ny mpanohana an-dRavalomanana rehefa hita fa sarotra ny idirana an'Ambohijatovo sy ny kianjan'ny 13 mey. Ninia aho ny nangina tamin'ny resaka tolona rehefa nolazaina avy hatrany fa hananika an'Ambohijatovo hiaraka amin'ny mpitarika sasantsasany ao amin'ny ankolafy Zafy Albert ny mpitarika ny tolona mahazatra eny amin'ny kianjan'Ankorondrano.

Hitantsika fa tsy fantatra be ihany izay tena marina amin'ny hoe "hiaraka hankeny Ambohijatovo ny telo tonta" tamin'iny andron'ny zoma 11 septambra iny. Natokitoky olona befahantany ny mpitarika ary dia noheveriko fa voafandrika raha tsy nisy ny teti-panorona mazava. Nametraka ny tenako ho mpitati-baovao tsotra aho ary niniako natao ho lohateny mibedy ankolaka ny mpitolona hamerenana ny ara-dalàna ny lohateny hoe "izao izany no atao hoe manao action?" Efa tsapako ihany manko fa fandrika natao tamin'ny legalista ihany ilay fanaitairana ho eny Ambohijatovo nefa ny fanomanana stratejika hiatrika ny zava-drehetra ho amin'izany fidinana an-dalambe izany tsy mbola vonona akory. Efa teo ampanoratana tskelikely ireny mihitsy aho no nisy ireny toe-javatra tamin'ny faran'ny herinandro ireny, mbola tsy tena fotoanany tamin'iny araka ny fijeriko. Mba misy fotoanany avokoa manko ny tetika rehetra.

Na misy aza ny esoeson'ny sasany, ny mampiavaka ny tolona ankehitriny dia ny fitandroana hatrany ny soatoavin'ny baiboly. Tsy hain'ny mpanao politika ny manetry tena fa hain'ny mpandala ny ara-dalàna izany raha ny tokony ho izy. Noho izany, ny fiverenana mankeny amin'ny kianjan'ny ara-dalàna tsy fihemorana velively fa fakana bahana handrosoany amin'ny tolona araka ny tokony ho izy. Deraina manokana Atoa Fetison Rakoto Andrianirina tamin'ny nandraisany fanapahan-kevitra hametraka iny fanarambaran'ny ankolafy Marc Ravalomanana iny. Mbola tsy mipetraka tsara ny fiangaviako mba ho amin'ny 12 ora sy sasany farafahatarany no hanombohan'ny fotoana saingy efa zava-dehibe amiko ny fitodiana eo amin'ny kianja fanoherana ny herisetra amin'ny lafiny rehetra.

Ny fanohizana ny tolona rehetra dia tsy maintsy miankina be dia be amin'ny fifampiarovan'ny mpitolona sy ny fahasahiana mitory ny mpanakorontana hampadio ny tolona. Toa lesoka ihany manko ny fiatahana fotsiny ireny olona ireny fa tsy ny mahasahy manandrina azy ireny, koa tsy mahagaga raha raisin'ny sasany bambaray ny mpitolona sy ny mpanakorontana. Nahita ny toe-javatra nitranga tamin'ny faran'ny herinandro ireny aho ka mba mahita ihany ny fandehan'ny raharaha tamin'ireny fotoana ireny.

Vaovao an-kelika

Tsy miteny hoe vaovao an-tselika aho fa vaovao ankelika no soratako ary dia raiso tsara araka izany ny tiako soratana. Nisy ny nampita ity vaovao ity ka ampitaiko etoana fandrao mba misy ihany ny ilàna azy. Vaovao fampitandremana ilay izy, ka mampita fotsiny aho eto na dia somary avadiko amin'ny fomba fanoratro aza ilay izy indraindray hanakonana ny mpanome ny vaovao:

Tsy nahomby aloha ny famelomana ny adim-poko teto Madagasikara ary dia tetika hafa indray no naroson'ny Frantsay. Akorontany amin'ny fomba hafa indray ny firenena amin'ny fanasamatsamahana ny firenena tahaka ny any Afghanistan (Sy Somalia araka ny filazan'ny "Filohan'ny tetezamita vaovao" Monja Roindefo). Ny anton'izany dia ny hitavanana manontolo tsy amin'ahiahy ny harenan'ny firenena. Ny tetika hanaovana azy kosa dia ny hampiroboroboana ny fanaovana heloka bevava, toy ny miaramila mitam-piadiana mahasahy mitifitra sy mamono avy hatrany. Ny fitaovam- piadiana ampiasaina dia izay efa naondran'ny Mafiosi Okrainiana eto Madagasikara. Nisy aza fitaovam-piadiana vita Isiraeliana mahatody lavitra sady mahatingina tsara izay kendrena (Laser) novidian'ny Frantsay, ka rehefa narahan'ny Mossad (sampam-pitsikilovana Isiraeliana) ny toerana nandehanany dia teto Madagasikara no niafarany fa tsy fantatra kosa ny antoko-tafika hampiasa azy ireo. Ary farany (sady fototry ny hafatra) nampitandrina ny mpanome ny vaovao an-kelika taty amiko fa misy koa ny tetika hitifirana ireo mpitarika ny fampanajana ny fifanarahana tany Maputo (ny ankolafy telo). Ny tena nahasosotra ny Frantsay moa dia ny fitoriana napetraky ny ankolafy Ravalomanana tany amin'ny Firenena Mikambana momba ireo nosy manodidina an'i Madagasikara izay bodoiny hatramin'izao fotoana izao. Hatreo ny mesazy.

Farany, ampahatsiahivo ahy ny fivondronam-ben'ny mpanendaka etsy Ambodifilao fa tena maro dia maro tokoa ry zareo. Mbola misy dia haleha indray ny tena. Manontany ihany aloha aho hoe: "Tsy maintsy handehanana ve ny hidina eny an-dalambe ny sabotsy 19 septambra 2009 raha tsy ampy ny fiomanana.


jentilisa, Antananarivo 18 septambra 2009, amin'ny 12:04

Efa niongana i Andry Rajoelina

2009-09-16 @ 09:31 in Politika

Ary ny namany sady ny praiminisitrany ihany no nanongana azy, no tohin'ny lohateny izay omeko anareo. Fomba fijery ny toe-java-misy amin'izao fotoana izao ity nosoratako ity. Izay mpamaky ny bolongako dia mety ho nahatadidy ny nosoratako tamin'ny faran'ny volana janoary 2009 nanao lohateny manontany hoe: "TGV sy EMMO NAT: Tontosa ve ny fanonganam-panjakana?" Tontosa tokoa ilay fanonganam-panjakana roa volana latsaka taty aoriana. Ankehitriny kosa aho tsy hametraka intsony ilay lohateny manontany fa tsoa-kevitra avy amin'izay taratra ankehitriny no nampisongadina ny lohateny avy eo.

Voalohany, raha nanao fanambarana i Andry Rajoelina ny amin'ny hananganan'ny "Praiminisitra" Monja Roindefo ny governemantan'ny fampihavanam-pirenena, dia tsy naheno na oviana na oviana aho tamin'io fotoana io fa hotendreny ho "Praiminisitra" aloha i Monja Roindefo. Tao an-tsaiko avy hatrany ny toy ny nataon'ny filoha Ravalomanana tamin'ny 17 mars 2009 izay niadian-kevitra tamin'ny hoe fialana na tsy fialana iny fanambarany iny, ny hita fotsiny aloha amin'izao fotoana izao dia efa tsy filoham-pirenena intsony i Marc Ravalomanana. Dia mifanahatahaka amin'izay indrindra ny fanambaran'i Andry Rajoelina tamin'ny takarivan'ny 28 aogositra 2009. Mahazo miverina mihaino ny fanambarana nataony isika rehetra hanamarina na handiso izany filazako izany. Namerimberina fotsiny izy hoe "Praiminisitra Monja Roindefo" fa tsy naheno aho hoe "hotendreko ho praiminisitra indray".

Faharoa, rehefa nisy indray ny fanambarana ireo ho ao anatin'ny "governemantany" dia nisy "fihoaram-pefy" nataon'ny "Praminisitra" Monja Roindefo: ny fanendreny ny filoha lefitry ny tetezamita sy ny filohan'ny filankevitry ny tetezamita. Ny ankamaroan'ny olona dia nihevitra fa fahadisoana eo amin'ny fombafombam-pandaharana eo amin'ny fitondrana iny nataon'ny "Praiminisitra" Monja Roindefo iny. Izaho kosa dia nahatsapa fa matoa ninia nanao ireo fanambarana ireo i Monja Roindefo dia efa nihevitra sahady izy tany anatiny tany fa efa izy izao no "ambonin'ny filoha lefitry ny tetezamita". Tsy mandehandeha foana ireny fihetsika isan-karazany ireny.

Fahatelo, rehefa nanao fanasana fanintelony indray ny Pr Zafy Albert tamin'ny 10 septambra 2009 dia nanaiky ny hihaonan'ny efa-tonta i Andry Rajoelina, ary izy Andry Rajoelina mihitsy no nametraka ny fotoana sy ny toerana hoe ny alahady 13 septambra 2009 amin'ny folo ora maraina eo amin'ny Lapan'ny fitaratra Anosikely. Tsy nanaiky io fihaonana io anefa ny "Praiminisitra" Monja Roindefo ka nanambara fa tsy hanatrika io fihaonana io ry zareo. Ny siosio an-tserasera no namakiana fa nalefa tany Nosy Be i Andry Rajoelina "hiala sasatra" fa ny tena antony dia ny hanakanana azy tsy hanatrika ilay fotoana. Taratasy no nampandrenesana indray ny tsy hahatongavany. Tsy fantatra izay faneriterena nahazo azy ka nanaovany indray taratasy tsy fahafahana manatrika ny fotoana teny Anosikely. Azo Ambara manomboka hatreo fa mandray an-tanana mivantana ny raharaham-pirenena ny "Praiminisitra" Monja Roindefo.

Miandry isika hoe rahoviana no hiteny i Andry Rajoelina ary inona no hoteneniny. Ny zava-misy ankehitriny, toy ny fitsenan'ny CEMGAM ny Jeneraly Rasolomahandry sy ny fifampiandrasan'ny RFI sy ny FIS dia fanomanan-tsaina ny mpanohana ny ankolafy Andry Rajoelina sy ny mpanohana azy avokoa fa "hiova" ny fitantanana ny firenena. Ka ahoana ary hoy ianao, tsy efa niongana ve i Andry Rajoelina?


jentilisa, 16 septambra 2009 amin'ny 11:34 atoandro

izao izany no atao hoe manao action?

2009-09-13 @ 07:26 in Politika

tsy hanao be resaka aho fa ireo ny lahatsary sy ny sary hilaza azy aloha. Be mihitsy ny tiana holazaina fa hizara fotsiny aloha.

fidinana avy eny Ambohijatovo nataon'ny sasany io

mitohy hatrany 

Mbola mitohy ny famoahana ny sary an! 

ny sary roa farany dia maneho ireo miaramila nandrava barazy tetsy anoloan'Antanimena magro io

ary

mety hataoko tsikelikely eo ihany angamba ny fitantarana an-tsoratra izay niainana fa mbola tery dia tery ny fotoana. Marihina fa ireo sary sy lahatsary rehetra ireo dia an'i Jentilisa Madiorano avokoa.

Inona aloha no atao raha hampandroso ny tolona?

2009-09-10 @ 09:32 in Politika

Dia asa aloha na mifanandrify amin'ny kivazivazy mampihomehy nosoratan'ny namana Dotmg atsy ambadika atsy izy ity fa dia toy ny manome tolotra jôgôlens maimai-poana ho an'izay liana i Jentilisa ho fandraisany anjara amin'ny tolona efa nandraisany anjara tamin'ity taona ity. Koa raha maimai-poana ilay izy, tsy fantatra kosa ny kalitaony fa anjaranareo no mitsara azy.

Nampitandrina aho ny tsy idirana na oviana na oviana amin'izay mety hitarika herisetra, na ny fanaovana herisetra satria fantatra ny tsy fahatomombanan'ny fifandaminana ao amin'ny tolona hamerenana ny ara-dalàna. Efa nisy ihany ny fifampiahiahiana ka nampikatso ihany ny fandrosoan'ny tolona. Efa saiky niitatra tany amin'ny faritra ny hetsika nialoha indrindra ny fifanarahan'i Maputo voalohany fa tapaka tampoka rehefa nifanarahana ny tsy hanaovana ny hetsiky intsony. Fotoana amin'izay angamba izao hanoroan-dalana ny manam-panahy ao amin'ny tolona hamerenana ny ara-dalàna (izay efa lasa ny fampanajana ny Satan'ny Maputo indray amin'izao fotoana izao).

Dingana voalohany no lazaiko etoana, raha mahatadidy tsara ny mpitolona rehetra indrindra izay zatra ny fanombohany teny Ambohijatovo tamin'ny faran'ny volana marsa dia amin'ny atoandro fotoana firavan'ny mpiasa sy iandrasana indray ny fidirana folakandro no nampafana ny fotoana teny. Nazoto nankeny ny mpiasa manodidina iny toeram-piasana iny ka tsy nahagaga raha vetivety monja dia nangoro-potsy ny toerana. Tsy mahagaga loatra raha nanomboka hidina teny amin'ny kianjan'ny 13 mey ny mpitolona tamin'ny roa ora latsaka fahefany teo ho eo.
Ankehitriny inona no mitranga? Raha mankeny Ankorondrano amin'izao fotoana izao, ny ora aloha indrindra hitako teny hanaovana ny hiram-pirenena sy ny hiram-pitolomana dia amin'ny iray ora sy sasany folakandro, izany hoe efa andalana hiditra hiasa indray ny mpiasa... indrindra fa ny mpiasa tsy miankina amin'ny fanjakana. Inona no vokatr'izany? Mialoha ny hieritreretana hankanesana eny dia efa mieritreritra izay mbola handeha hiasa hoe mba hahita zavatra sy hahara-baovao eny ve aho sa hiveri-maina lasa mody alohan'ny fanombohana ofisialy?

Inona izany ny tiako ambara? Miangavy re atombohy amin'ny 12 ora sy sasany farafahatarany ny fotoana, izany hoe ny fihirana ny Tanindrazanay Malala sy ny Madagasikara Tanindrazanay, fa tsy maintsy ho henon'ny mpiasa izany ary hihazakazaka hankeny indray ny maromaro kokoa dia ho hitanareo indray ny zavatra hafa azo atao. Miangavy mba ho ora roa raha lava indrindra no faharetan'ny fotoana ka tsy hifandrombahana ny fitenenana mba te-ho hitan'ny maro fa mahalala izay mpankeny hatrany izay mpankeny. Raha tontosa io fanombohan'ny fotoana amin'ny atoandro io fa tsy folakandro intsony dia hisy ihany ny fifampitarihan'ny samy mpiara-miasa vao mety hahomby ny dingana manaraka. Aleo tsorina aminareo fa ny hany sisa hankanesako eny Ankorondrano amin'izao fotoana izao dia efa angatahana andro tsy iasana ao am-piasana mihitsy ary tsorina fa ny mankeny no manasatra kokoa noho ny miasa... izany hoe tena tolona no atao e!

Izay kely dia kely izay nefa mety hampiova zavatra maro dia maro eo amin'ny fandroson'ny tolona no atolotro ho an'ny mpitarika sy izay manana fifandraisana amin'ny mpitarika eny amin'ny kianjan'ny ara-dalàna. Lazaiko fa be dia be ny fitarainana amin'ny fahataran'ny fotoana io nefa mba te-handray anjara ihany ry zareo. Ny tolona tsy hoe mifarana amin'ny fankanesana eny amin'ny Magro fa eny aza no fanaovana ny dingana voalohany. Asa! mbola tsy mety ve izany soso-kevitra kely dia kely izay?


jentilisa, alakamisy 10 septambra 2009 amin'ny 11:35

Lahatsary [video] 2 ny tolona ataon'ny legalista mavitrika hatrany.

2009-09-05 @ 17:01 in Politika

 

Raha nijery indray ireo lahatsary teo aloha aho dia nampitaha ny fahavitrihan'ny olona tany amin'ny faraparan'ny volana marsa 2009 mbola teny Ambohijatovo sy ny amin'izao fotoana fotoana anoratana volana septambra izao. Hita avy amin'izany fa tsy nihena mihitsy ny fahamaroan'ny olona nanatrika izany tolona mamerenana ny ara-dalàna izany. Efa ambolana anefa no lasa. Raha nosainina indray ny an'ny TGV dia nihena am-pitoerana toa fen'antitra ny azy ireo nandritra ny roa volana nitolomany, izay tsy nahomby raha tsy niditra an-tsehatra tamin'ny fanonganam-panjakana ny andia-miaramila.

Tamin'ny 2 septambra 2009 teo aza moa ny azy ireo rehefa nantsoina ho ao amin'ny lapan'Ambohitsorohitra izy ireo dia nisy ilay filazan'i Constant Raveloson hoe notambatambazana tamin'ny limonady grenadine sy bonbon anglais. Izaho kosa nahita ireo lovia fanary feno nanerana ny ahitra sy ny mbola ifandrombahan'ny sasany izay latsaka teny amin'ny bozaka... mandrangorango fatratra ireny. Ny tsikaritra amin'ny an'ny roa tonta ve? Ny teny Ambohitsorohitra feno fakofako ny toerana nialana rehetra. Tsy fantatra intsony na nisy toeram-panariam-pako vonjimaika teny na dia efa fahazaran-dratsy ny azy ireo. Ny eny Ankorondrano kosa mahamenatra dia mahamenatra izany hanary fako eny rehetra eny izany. Tsarovy ihany koa fa ny eny Ankorondrano tsy hoe izay toerana sisintsisiny miafina rehetra dia lemana avokoa rehefa poritra fa misy ny toerana voatokana ho amin'izany ary manaja izany ny mpitolona rehetra eny. Tena samy manana ny azy e!


Dia ireo aloha ny sary tamin'ny alakamisy 3 septambra fandrao lazainao fa maao lazamasaka fotsiny ny mpanoratra. Mbola mianatra ny fanaovana azy ity moa ny tena ka ialana tsiny indrindra ny mety ho tsy fahatombombanan'ny sary omena anao.



jentilisa, Antananarivo 06 septambra 2009 amin'ny 00:30 maraina.
 

 

Tetezamita: Ny foloalindahy malagasy ihany no vahaolana tsotra indrindra!

2009-09-02 @ 10:41 in Politika

Eto amin'ny kihon-dalan'ny tantaram-pirenena malagasy indray isika ankehitriny. Miandry avokoa izay avoaky ny anio sy ny ampitso isika. Maro no tsy te-hieritreritra afa-tsy ny hoe fiarahan'ny ankolafy efatra fantatra ankehitriny no fomba tsotra indrindra hamahana ny olana mamatotra amin'izao fotoana izao. Izaho kosa mahita fa ny foloalindahy malagasy irery ihany no mahavaha ity olana amin'izao fotoana izao raha mahita ny toe-java-misy ho olana ry zareo. Toa noadinoina tanteraka manko ny fifanarahan'i Maputo voalohany, ary misy dia misy ny fifandroritan-kevitra momba ny miaramila ao anatin'io dina io. Efa nampahatsiahiviko tany amin'ny bolongana hafa tany ihany (fijery io) tamin'ny fotoana nivoahan'io dina voalohany io fa angamba tsara ihany ny nametrahana ny tafika ho ankolafy manokana nanasonia ny fifanarahana.

Na inona na inona fomba filaza dia ny tafika no nanongana an-dRavalomanana saingy ny hafetseny, raha izay no filaza azy, dia ny nametrahany  sivily ho mpitantana voalohan'ny fitondrana norombahiny. Eo imason'ny olo-tsotra dia ireo sivily mitantana amin'izao fotoana izao ireo no tena mifehy ny firenena, saingy ny fanambarana isan-karazany navoakan'ny vondrona mitam-piadiana eto Madagasikara no maneho fa ry zareo foloalindahy no tena mibaiko amin'izao fotoana izao.

Ny voalohany, fony vao nivoaka ny Dinan'i Maputo, tsy nankasitrahany ny fanaratsarahana ny tafika amin'ny fanendrena tokony ataon'ny ankolafy efatra ao anatin'ny komity misahana ny tafika. Ny hevitra avy amin'izany manko dia hoe tsy tokony hibaiko ny miaramila velively ny sivily. Ny noadinoiny dia mpiasam-panjakana mitam-piadiana ry zareo fa tsy mpanjaka hovelomin'ny mpandoa hetra eto amin'ny firenena. Hevitra anatin'ny olona, indrindra fa ny tantsaha, ny hoe ry zareo no fanjakana satria ry zareo no solontenam-panjakana hita mivantana, ary mahafinaritra azy ireo ery ny mandre ny fiantson'ny olona azy ireo ho "sefo". Tsy mahagaga noho izany raha mandeha ho azy ao an-tsainy ny fitiavana haka kely avy amin'ny asany izay efa anakaramana azy ihany. Ny zandary moa no tena ivantanan'ny resaka amin'ny ankapobeny amin'io sehatra io.

Ny fanambarana farany indray dia ilay hita ombieny ombieny nataon'ny Ombimanga nivoaka avy tamin'ny Akademia Miaramila Antsirabe. Fanambarana midi-droa saingy ny adihevitra natao no manamarika fa, raha amin'izao fotoana izao, dia tsy maintsy tsy tontosa ny iray amin'iray amin'ny zavatra lazainy. Voalohany, fampitandremana ny mpanao politika tsy hanonona ny foloalindahy ka mety hisaraka fisaraham-bazana. Mampahatsiahy tampoka ny iray amin'ny teny folo manao hoe: "Aza manonontonona foana ny anaran'YHWH Andriamanitrao, fa tsy ataon'YHWH ho afa-maina amin'izany tsy akory ianao!" Ndry! toa lasa andriamanitra tampoka ry tonaka sa te-ho andriamanitra? Fanambarana mampivoitra ny maha-tsy refesi-mandidy, tsy azo kitikitihina. Tsara ny fampiraisana ny tafika amin'ny ankapobeny fa moa ve tokony hotazonina hatrany izany fampiraisana izany raha misy ny lò ao anatiny ary tafiditra any amin'ny fitarihana ny tafika aza ny sasany? Hatraiza ny andraikitra rehefa misy ny miseho ho "sefo"?

Dia mifampitohy amin'izany sy mamaly ny ahiahy indrindra ny tohin'ny fanambarana nataon'ny Ombimanga. Manery ny tompon'andraikitra ambony anivon'ny tafika tsy hiandany na amin'iza na iza ho amin'ny fivoahana amin'izao krizy politika izao. Tsorina fa tsara izany filazana manaraka izany saingy misy ilay indrokely. Fanambarana nisesisesy nivoaka anivon'ny tafika ihany ny filazana handraisana fepetra raha vao sarahina tsy ho eo amin'ny fitantanana i Andry Nirina Rajoelina sy i Monja Roindefo Zafitsimivalo. Mba rere ihany fa niandry izay vokatry ny fifanarahana tany Maputo II ry zareo ka raha vao tafasaraka ireo olona ireo dia nisy Directoire Militaire tampoka teto amin'ny tanàna, saingy tsy nisy moa ny vokatra dia foana ho azy ny fikasana. Tsy mazava be ihany aloha hatramin'izao ny lazaina fa fandraisana fepetra rehefa tsy misy ny vahaolana ataon'ny ankolafy. Fijeriko anefa dia ny saribakoliny ihany ny iray amin'ireo ankolafy resahina. Tsy misy na inona na inona azo atao amin'ny saribakoly fa ny mpanetsiketsika azy no tokony itodihana.

Fehiny: tsy ny ankolafy efatra fantatra no hahavaha io olana io fa arakaraky ny ataon'ny Miaramila irery ihany. Amiko, tsy ny ankolafy Andry Rajoelina loatra no tokony ifampiraharahana fa ny miaramila mivantana, izany hoe ireo mpitarika sy mpitondra azy ireo amin'izao fotoana izao. Moa tsy tsaroanareo ve tamin'ny nanonganana ny Jeneraly Mamy, minisitry ny foloalindahy farany tamin'ny andron'ny filoha Ravalomanana, ny filazana nataon'ny tao amin'ny Capsat fa tsy maintsy misy fankatoavana avy amin'izy ireo vao tafapetraka no minisitra ny minisitry ny foloalindahy? Aoka tsy ho hadinoina ny tantara. Hita fa miandry anjara hanina goavana amin'ny tetibola ry zareo, tahaka ny tamin'ny Repoblika faharoa ihany. Noho izany, na ifampiraharahana ry zareo na heverina ny momba sy ny hanaovana azy ireo. Hevitro izay!


jentilisa, 02 septambra 2009 amin'ny 12:45 atoandro.

Fanehoana ny safidim-bahoaka amin'ny 2 septambra 2009

2009-08-31 @ 22:02 in Politika

Tsahotsaho fotsiny eto amin'ny aterineto no nandrenesako fa misy izany fanangonan'olona hanatrika ny fotoanan'ny TGV izany ao Mahamasina amin'ny alarobia 02 septambra 2009, dia hoy aho hoe  raikitra amin'io fotoana io indrindra izany ny fanehoana ny safidim-bahoaka fa i Andry Rajoelina no ho filoha hitantana ny tetezamita iraisana ka tsy misy miala amin'ny toerany ny efa tafapetaka rehetra. Dia mihoraka am-pifaliana milaza izany fandresena goavana izany ny mpanohana azy. Efa nanomboka tamin'ny fitsenana ny PHAT teny Ivato saingy voahelingelin'ny zava-nitranga tamin'ny mpitarika ny delegasionan'ny mpanohana an'i Marc Ravalomanana moa io fitsenana tokony ho nakotroka io. Ary dia amin'io 02 septambra 2009 io no sady faradoboka iantsoana ny mpanohana azy haneho ny safidiny ho hivoaka ho mpandresy ay hatrany ry zareo rehefa mirava ao amin'ny kianjaben'i Mahamasina.

Na ahoana na ahoana, na tsy endrika demaokratika mihitsy aza ny fampitahana ny isan'ny olona hanatrika fivoriana ankalamanjana na eny amin'ny kianjabe, hijerena ny maro an'isa, dia tery ihany izay manana foto-kevitra hijoro amin'ireo ankolafiny "mandray anjara amin'ny fifidianana". Tsy maintsy hisy ny fanangonan'olona avy any amin'ny faritra hanabe isa ny mpiara-dia amin'ny tena. Efa nanao izany indroa miantoana ihany ny mpanohana an'i dada tamin'ny alarobia 11 febroary sy asabotsy 14 febroary saingy tsy nanakana azy velively tsy ho voaongan'ny miaramilan'ny Capsat izany. Ny Miaramila izay mbola mitana ny VETO aloha amin'ny safidim-bahoaka eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Fa na eo aza izany VETO ananany izany, tsy manakana ny hafa haneho ny safidiny loatra io.

Tsy misy fanentanana ity hoe mahaiza mifidy, tsy misy fandrotsaham-bato fa dia aseho amin'ny fandehanana any amin'ny fihaonana eny ankalamanjana ny safidy. Izay no tian'ny sasany hanaovana ny endri-pifidianana amin'izao fotoana koa dia aleo aseho azy ny fanehoana ny safidy e! milahatra eny amin'ny biraom-pifidianana vita ihany koa maninona raha mijoro maharitra eny amin'ny hain'andro moa, na raha mety dia mipetrapetraka? Izay tsy mandeha mamonjy eny moa dia efa manaiky izay rehetra mitranga eo no dikan'izany, sady hitako sarotra tarihina hankeny amin'ny kianjan'ny Magro rahateo ny mpandala ny ara-dalàna ka ho afaka manararaotra maneho ny hamaroany ny mpanohana ny FAT amin'izao fotoana izao.

Izaho moa na dia manohana an'i Monja Roindefo ho filohan'ny tetezamita dia eny amin'ny Magro ny fanehoako azy raha manam-potoana aho. Hay tokoa moa tsy manana anjara loatra amin'ity fanehoana ny safidim-bhoaka amin'ny alarobia ho avy io ny mpiasa amin'ny ankapobeny? Eee! raha mba hataon'ny FAT andro tsy iasana moa io andro io noho ny maha-andro fanehoana ny safidim-bahoaka azy! tsaroako ao an-tsaina indray  irony famindrana ny androm-pifidianana ho andro alarobia tamin'ireny fanombohan'ny Repoblika fahatelo ireny! Tsiaro sisa izany ankehitriny fa io ataon'ny ankehitriny amin'ny fomba ankolaka io.



jentilisa, talata 01 septambra 2009 amin'ny 00:05 maraina


Manohana an'i Monja Roindefo ho filohan'ny tetezamita iraisana aho!

2009-08-28 @ 11:06 in Politika

Amin'ny maha-mpandala ny ara-dalàna ahy teo amin'ny tolona ka mahafantampantatra avy hatrany ny antony nanoloran'ny ankolafy Ravalomanana an'i Monja Roindefo ho filohan'ny tetezamita iraisana dia tohanako feno io tolotra io. Koa mandrisika indrindra ny praiminisitry ny FAT aho, izay tsy mitovy firehana aminy, handresy lahatra ny mpiara-mitolona aminy fa lalana tokana ahafahany mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena ho avy io, sady efa ampy taona tsara izy ny hirotsaka, tsy mila fanamboarana ny lalam-panorenana izany. Manentana ny fikambanana samihafa hanohana io tolotra hanaovana an'i Monja Roindefo ho filohan'ny tetezamita iraisana io.

Ho antsika namana rehetra mpandala ny ara-dalàna tia maneho hevitra an-tserasera ihany koa. Saino kely ny tanjona ao anatin'io fanohanana ataoko io fa aza sendaotra be ihany. Fanavotana ho antsika io sady misy rahateo fomba fitenenana manao hoe: "Rava ny firenena miady an-trano". Aelezo izao fomba fanohanana izao fa ho hitantsika ihany ny tohiny. Mbola mila fanazavana indray ve ianareo? Ento amin'ny saina ho'aho ity politika ity fa aza entina amin'ny fo.

Vaovao farany: nanemitra ny seranam-piaramanidina Ivato indray ny miaramila miisa 20 eo ho eo, "mitsena" ny delegasiona avy any Maputo, indrindra fa Atoa Manandafy. Loharanam-baovao dia ny Radio Nasionaly Malagasy. Araho ny Twitter.


jentilisa, Antananarivo 28 aogositra 2009, 01: 10 atoandro

Iza no te-ho sefo sahala amin-dRalava Bodo na eo am-piandrasana an'i Maputo

2009-08-27 @ 08:13 in Politika

Fanamarihana voalohany, tsy azo vakian'olona mora tohina. Fanamarihana faharoa: Aza avilivily ny eritreritra rehefa mamaky ny teny fa manahirana. Fanamarihana fahatelo: natokana ho an'ny tia miresaka politika amin'ny saina irery ihany, noho izany miangavy izay manao politika amin'ny fo hitsahatra amin'ny famakiana ny vakinteny ka isaorana amin'ny famakiana azy hatreto.

Mahagaga sy fa mahavariana  fa na dia liana amin'ny fahazoana vaovao avy any Maputo aza ny tena tsy mba mitaintaina akory fa mandray azy amin'ny alalan'ny kivazivazy zary tenany. Nahoana angaha? Rehefa nikatso ny fifampidinihana dia ity kivazivazy ratsy tsy firesaka am-pianakaviana ity no tao an-tsaiko koa miala tsiny miala fondro indrindra ho an'ny rehetra raha maro ianareo no ho tohina. Mifandraika amin'ny toe-java-misy amin'ny fotoana anoratana manko izy ity.

Niady izay ho sefo, hono, ireto singa samihafa tao amin'ity firenena iray antsoina hoe Olombelona. Raha miresaka hoe sefo aho eto dia tsy manivaiva na iza na iza fa resaka mba atao kosa ny antsika. Dia niteny, noho, ny iray antsoina hoe Ifu hoe: "izaho no sefo fa raha tsy velona aho tsy misy velona ianareo rehetra." Namaly izany kosa i Shain fa tokony izy no sefo satria izy no mipetraka amin'ny toerana avo indrindra ary avy aminy avokoa no iavihan'ny hevitra rehetra enti-mampandroso ny firenena. Nandresy lahatra kosa i Tan fa tokony ho izy no sefo satria izy no tena miasa indrindra. Tsy nampoizin'ny rehetra avy any kosa fa nibetroka dia nibetroka i Ralava Bodo hoe: "Mangìna daholo ianareo fa tsy maintsy izaho no sefo na tianareo na tsy tianareo." Anarana nomen'ny ray aman-dreniny azy io fa na lahy aza izy dia anaram-bavy no nomeny azy satria naniry vavy manko ny ray aman-dreniny tamin'ny bevohoka azy.

Nikakakaka daholo ny rehetra nandre izany trerona izany ka nanao hoe: "Dia ialahy ve letsy no hatao sefo? Mba mangina letsy fa tsy misy ilàna an'ialahy eo a!" Hay! rehefa izany ary dia hitokona tsy hanao na inona na inona aho dia ho hitantsika eo izay tena sefo amintsika rehetra. Dia nitokona tokoa ny anao lahy ka ny asa rehetra tokony ho nataony dia nangoniny teo amin'ny latabany fotsiny nefa tsy navelany hivoaka ny biraony ny asa rehetra. Tena nikatso tokoa ny raharaha. Nitohana avokoa ny asa aman-draharaha rehetra. Nanomboka narary ny toe-karena fa tsy noraharahiany mihitsy. Tsy misy na inona na inona mivoaka sy mandeha eto rehefa tsy izaho no sefo, hoy ihany Ralava Bodo. Nivoajamala tanteraka ny firenena Olombelona fa tsy mankaiza amin-dRalava Bodo izany.

Hitan'ny singa hafa rehetra ary fa tena tsy ho lasa izy ity ary tsy mifanaraka amin'ny sain'ny hafa ny fomba fieritreritr'i Bodo (misy koa ny manome anara-maneso azy hoe Koly ihany koa) dia nifanaraka ihany ny hafa rehetra hoe aleo omena an'ileiry ny fanononana hoe sefo fa tena manao izay tiany atao mihitsy ileiry sady tsy mitady afa-tsy ny antsoina hoe sefo izy. [nampiana: izany, hono, no nahatonga ny fiteny hoe "Manao Bodo Ngerona", noho ny fieron'i Bodo nitady ny fahefana antsoina hoe "sefo".]Mamerina indray aho hoe tsy ny sefo rehetra na ny antsoina hoe sefo rehetra dia tahaka izany fa mba tranga maningana fotsiny ity an-dRalava Bodo na antsoina hoe Koly ity. Farany, iangaviana izay hametraka hevitra rehetra tsy hisy hanompa na hiteny ratsy indrindra aza fady indrindra.

Angano, angano, à rire à rire, tsy izaho no namorona fa dia ny henoko faha-tanora no tantaraiko aminareo ihany koa. Fa dia maniry ny hivahan'ny olana izay tontosaina any Maputo ihany koa ny tena fa tsy maniry velively ny hisian'ny ady fifamonoana eto amin'ny firenena.


jentilisa, 27 aogositra amin'ny 10: 16

PS: Nikatso tanteraka ny fidirana aterineto tamin'izaho niditra fa dia kiry ihany koa ny ahy hivoahan'ny lahatsoratro.

Dinan'ny Tetezamita Maputo: zanatany amin'ny ahoana moa?

2009-08-22 @ 23:25 in Politika

Raha ny tena marina valin'ny hevitra iray any amin'ny vondrona mailaka serasera ity soratako etoana ity saingy navoakako bolongana no hitako metimety kokoa. Tsara ihany koa manko raha olona eto an-toerana no mamaly ny resaka fa rehefa Malagasy any ivelany matetika mahazo tsiny lazaina ho be petra-kevitra hatrany. Miaina eto Antananarivo aho, noho izany tsy very loatra amin'ny andavanandro politika eto Madagasikara.

Ny niandohan'ny adihevitra moa dia ny ao amin'ny andininy faha-36 (Charte de la Transition) manao hoe:

Titre  VII – Du  suivi  international
Article 36
La communauté internationale, témoin et garante des engagements pris dans le cadre de la Charte de la Transition, est appelée à appuyer le processus de transition, y compris l’organisation des élections
.

Araka ny dika nataon'Atoa Andriamihaja Solonavalona ihany sy ny heviny avy eo dia hoe:

"Ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena izany no mpanara-maso sy miantoka ny fampiharana ireo asa sy antsipiriany mikasika ny fananganana ny Tetezamita (mariho tsara : ny Tetezamita voalaza eto dia ny Tetezamitan’i Maputo fa tsy ny Tetezamitan’ny Malagasy, ilay Tetezamita nateraky ny 17 Marsa 2009 sy ny Tolom-bahoaka 13 May : eto dia misy fifanjevoana sahady ary ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena no mamaritra ny Tetezamita hodinihina dia ny an-dry zareo).

Eo amin’ny lafin’ny lalàna, rehefa miantoka dia tompon-kevitra sy tompon’andraikitra amin’ny raharaha atao : raha tsorina dia ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena no mifehy ny fitantanana eto Madagasikara fa tsy ny Fanjakana malagasy sy ireo rafitra ao aminy intsony. Ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena izany dia manao lalàna eo ambonin’ny lalàna tapahin’ny Firenena malagasy, izy no mibaiko, mifehy, mitantana ary mihevitra ho tsy misy Fanjakana mijoro eto (Tsy misy filazana mihitsy na indray mandeha aza, tsy misy fanononana ny teny hoe : Fanjakana malagasy na Fahefana Avon’ny Tetezamita na Governemanta malagasy ao amin’ireo antontan-kevitra rehetra notapahina tany Maputo ! Mahagaga izany).

Tsorina ny resaka fa tsy ahodikodina : miverina amin’ny fomba feno hafetsena ny fanjanahan-tany, toy ny miverina ho « Protectorat » i Madagasikara, toy ny tamin’ny taona 1895 – 96 : very tanteraka ny maha firenena mahaleotena ny Firenena malagasy, very ny fiandrianam- pirenena.
Porofon’izany, amin’ny andininy hafa ato amin’ny Fifanarahana dia voalaza fa hametraka masoivoho maharitra monina eto Antananarivo ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena."

Izay no nosoratany tao amin'ny vondro-tserasera iray. Amin'izao fotoana izao manko dia te-hitsipaka mafy ny fifanarahana tany Maputo ny ankolafy sasantsasany manohana an'i Andry Rajoelina indrindra fa heveriny ho fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena malagasy io andininy 36 io ka anadinoany ny manaraka manao hoe:

Article 37
En cas de non-respect par l’une ou l’autre des mouvances signataires des engagements souscrits au terme de la présente Charte, l’assistance de l’Equipe Conjointe de Médiation pour Madagascar sera sollicitée.

Koa satria moa te-haneho ny mariky ny fiandrianam-pirenena izy dia apetrany mazava tsara ny tsy tokony iverenan'i Andry Rajoelina intsony any Maputo, hanatontosa ny fikaonandoham-pirenena, ary hijoro amin'ny maha-mahaleo tena azy, hoy manko izy :"Ny fijoroan’ny Firenena Malagasy amin’ny maha firenena mahaleotena azy, manana ny fiandrianam- pireneny no takiana amintsika, Fanjakana efa mijoro io ary efa ekena ny fisiany eto Madagasikara".

Hamaly tsikelikely araka izay takatry ny lohako aho ary hiezaka ny tsy hanaratsy olona velively:

Voalohany: Faly tena faly ny tenako nahita ilay filazana nataon'ilay mpanoratra izay mpanohana mafana fo ny TGV hoe :"Tsy misy filazana mihitsy na indray mandeha aza, tsy misy fanononana ny teny hoe : "Fanjakana malagasy na Fahefana Avon’ny Tetezamita na Governemanta malagasy ao amin’ireo antontan-kevitra rehetra notapahina tany Maputo ! Mahagaga izany". Izy tenany dia mahalala tsara fa tsy manaiky ny ifandraisan'ny lazainy ho Fanjakana Malagasy mijoro amin'izao fotoana noho ny fanonganam-panjakana nataona miaramila mitam-piadiana indrindra indrindra ny tamin'ny 17 mars 2009 tao amin'ny Episcopat amin'ny firenena vahiny hafa ny mpanelanelana Afrikana. Tsy misy ary tsy hisy ny fanohanana rehefa mikiry handeha irery na mitady hifehy samirery ny familiana ny tetezamita izay mandalo izy. Koa raha mihevitra ho mahavita ny fanantanterahana ny tetezamita tokoa izy dia "Tohizo ny lalana", diso aho: Ataovy izay tianareo atao fa aza atao kosa izay hahatezitra ny olona ka hifotitra aminareo sy ny kiribiby ataonareo.

Faharoa: Mazava loatra fa heverina ho tsy misy antony avokoa ny zavatra rehetra efa natao sy kasaina hatao toy ny fihaonambem-pirenena (2 - 3 Avrily 2009), fikaonandoham-paritra (30 Mey - 3 jona 2009), ny Fifanarahan'ny Panorama ( 1 Aogositra 2009, Sa moa ireny dina voasonia tany Maputo ireny ka lasitra avy tao amin'ny dinik'i Panorama io avokoa ny 80%? Ny mahavariana manko dia mbola nolazaina tao amin'ny RNM hatrany tamin'ny vaovao atoandron'ny 22 aogositra 2009 fa io fifanarahan'ny Panorama io no fakan-kevitry ny GIC amin'ny fanelanelanana izay ataony). Efa nandaniam-bola sy fidiram-bola ho an'ny mpikarakara azy manko ny fivorivoriana tahaka ireny ka tsy mahagaga raha manangam-bovona ny voatendry hikarakara ny fikaonandoham-pirenena izay efa tokony hanomboka ity herinandro ity. Nibaiko mihitsy aza hanemorana ny Maputo II fa hampandrosoana kosa ny fikaonandoham-pirenena. Izay ve ilay fiandrianam-pirennea very sa aiza ho aiza ilay izy?

Fahatelo: Malagasy samy Malagasy no nifanaraka tany Maputo fa tsy ny Malagasy no nifanaraka tamin'ny Afrikana. Vavombelona manasonia sy manara-maso ny ffanarahana ny solontena mpanelanelana iraisam-pirenena, noho izany tsy misy itovizany tamin'ny soniam-pifanarahana nifanaovan'ny Mpanjaka "nisolo tena an'i" Madagasikara andaniny tamin'ny solontenan'ny fanjakana frantsay na tamin'ny ady "Hova-Frantsay" voalohany na tamin'ny fananiham-bohitra nataon'ny Frantsay ka nitifirany tafondro an'i Manjakamiadana ankilany velively ny fifanarahan'ny samy Malagasy. Olondehibe nifanaiky ireo nanasonia ireo fa tsy nisy nambanana basy tsy akory nandritra ny fifanaovan-tsonia, afa-tsy raha hoe mahatsapa ny Ankolafy Rajoelina fa mbola tsy ampy taona hanasonia iny Dinan'ny Tetezamita iny ny solontenany. Tsarovy tsara anefa fa ny solontenany indrindra no nametraka ny "Charte de Valeur" milaza fa tokony hajaina ny nifanekena. Koa hanangana ankolafy fahadimy ary ve ry zareo?

Fahaefatra : Ny andininy faha 42 amin'ity Dinan'ny tetezamita ity dia mametraka mazava tsara fa (Article 42 La présente Charte de la Transition constitue la loi constitutionnelle de la Transition) ity fifanarahana voasonia ity no maka ny toeran'ny Lalampanorenana Tetezamita, koa raha mitady hiala amin'ity fifanarahana ity ireo olona ao amin'ny ankolafy sasany dia mbola mametraka ny tenany hatrany ho "mpanitsakitsaka ny Lalampanorenana" ary mametraka ny hafa izay manaiky sy te-hampihatra ny Dinan'ny Tetezamita ho "mpandala ny ara-dalàna". Dia lasa manontany aho hoe tsy manaiky hofehezin-dalàna mihitsy ve ry zareo fa heveriny ho jadona ny fampiharan-dalàna tsy mifanaraka amin'ny sitrapony?

Fahadimy : Mihevitra ny hoe any aminy ve ny hery mitam-piadiana ry zareo dia nikasa ny tsy hiraharaha izay voasoratra ao amin'ity Lalampanorenana vaovao ity? Kanjo rehefa tratran'ny hoe ny mpanelanelana iraisam-pirenena no manara-maso sy miantoka ny fampiharana izay voasoratra, fa tsy ny miaramila na ny fiarahamonim-pirenena izay mampiahiahy tanteraka ny filazany ho tsy mirona atsy na aroa, dia lazaina fa mitsabaka na manjanaka ireo natao vavolombelona manasoania ny fifanarahan'ny samy Malagasy ireo, fa tsy fifanarahan'ny Malagasy amin'ny vahiny velively? Mazava loatra fa tsy misy "Fianakaviambe Iraisam-pirenena manao lalàna eo ambonin’ny lalàna tapahin’ny Firenena malagasy,mibaiko, mifehy ary mitantana" izany aloha  hatreto. Ny anjara asa nankinina aminy no tanterahiny tahaka ny tokony hanatanterahan'ny rehetra ny anjara adidiny sy ny anjara andraikiny fa tsy mitady fialana bala atsy sy aroa.

Fahaenina: Tsy tokony ho olana mihitsy raha :"hametraka masoivoho maharitra monina eto Antananarivo ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena". Efa nomena asa izy ary nanasonia izany avokoa ny ankolafy efatra sa tsy azo ataon'ny firenena vahiny intsony ny mametraka masoivoho eto Madagasikara? Aza averina any amin'ny andron-dRanavalona Reniny ny tantara fa tsy midika velively hoe lasa zanatany Madagasikara i Frantsa raha manana Masoivoho any Paris isika Malagasy. Sa tsy tokony hanaraka ny lalàna iraisam-pirenena isika fa "manana ny fiandrianam-pirenentsika"? Aza mamarika an-kady ny firenena tahaka izany lahy fa mba manan-taranaka ihany.

Izao aloha no takatry ny saiko teo noho eo. Adihevitra no natao ary fotoanany izao hitsakotsakoana tsara ny zavamisy fa sao dia manao tendro-po tsy mba namana ny sasany ka lasa manaonao foana. Efa nopotehina tao anatin'ny volana vitsivitsy ny toe-karena ka fomba tahaka ny ahoana re no ahafahana tsy miankin-doha vetivety?


jentilisa, Antananarivo faha-23 aogositra 2009 amin'ny 01:27

Tetezamita: Nahoana no tsy hahazo fanampiana?

2009-08-21 @ 11:15 in Politika

Efa elalela tokoa no tsy namaham-bolongana araka ny tokony ho izy. Tsy lany resaka velively fa tsy te-hampisy fifandirana amin'ny fitadiavam- bahaolana hikatsahana ny tombotsoa ambonin'ny firenena. Nisy lahatsoratra eo andalam-pamitana saingy tsy notohizana na navoaka fa miandry ny tohin'ny toe-draharaha. Mihetsiketsika fatratra ny ankolafy Andry Rajoelina mba hitazonany ny seza efa azony amin'izao fotoana izao. Sady te-hitazona ny filohan'ny tetezamita no te-hitana ihany koa ny praiminisitra, sarotra dia sarotra anefa izany tinady izany raha mbola hifanaraka ihany koa. Tsy lazaina intsony ny hoe matoa nitady ny fifanarahana ka nanasonia ny Maputo I dia nitady ahaolana araka izay azo atao hampandeha ny tetezamita, tsy maintsy mitelina ny fitakian'ny fiarahamonina iraisam-pirenena. Raha nihevi-tena fa hahatantana samirery ny tetezamita manko tsy niditra velively tamin'izay fifanarahana na inona izany na inona. Rehefa tafiditra anefa dia sarotra ny miala satria vavolombelona manara-maso ny iraisam-pirenena.

Fa naninona ary no nanaiky hifanaraka e?

Tsy te-hanoratra lava aho fa hampitodika ny saina amin'ny sehatra iraisam-pirenena fa tsy ho variana mijery ny foitran'ny tena eto Madagasikara fotsiny. Nanana ny lazany tamin'ny fotoan'androny fa izay mpitondra any amin'ny tany an-dalam-pandrosoana nahazo fahefana dia miezaka hatrany hanatevina ny fiarovana ny sezany. Vokatr'izany, lasa any amin'ny fividianana fitaovam-piadiana hatrany ny ampahany betsaka amin'ny tetibola ary dia tavela hatrany ny fampandrosoana sy ny fotodrafitr'asam-pampandrosoana. Ohatra amin'izany, teto Madagasikara nandritra ny tolona tamin'ny 1991 ireny, mbola nikafiry ny nijanona tao amin'ny lapan'Iavoloha ny filoha Ratsiraka tamin'izay fotoana izay. NIsy ny resaka an-jorony teo amin'ny samy olona. Nisy nanontany ity manamboninahitra iray hoe maninona raha tafihina ao ilay rangahy io? novaliany fa angamba roa ora ihany raha be ny fifampitifirana dia ho lany bala ny miaramila mpanafika. Nahoana? Tany Iavoloha avokoa ny ankamaroan'ny fitehirizana ny bala sy ny fitaovam-piadiana fa ambiny kely ihany ny any amin'ny toby hafa. Izany hoe ny misahana ny fiarovana ny filoham-pirenena no tena ary fitaovana sy voaomana amin'ny zavatra rehetra.

Tsikaritry ny firenena mba te-hanampy ihany izany toe-javatra izany ka notadiaviny ny fomba hampihenana ny fandaniana amin'ny fiarovana sy ny fitaovam-piadiana ka ny teo amin'ny fomba fanomezana fanampiana no nametrahany fepetra. Mba handefasana ny tetibola any amin'ny fampandrosoana dia tsy eken'izy ireo raha ny fanomezana ataon'izy ireo no hividianana fitaovam-piadiana. Ho takalon'izay kosa, satria eo ihany ny ahiahy amin'ny hisian'ny fanonganam-panjakana, dia mifanaraka ny firenena maro fa tsy omena fanampiana mihitsy izay firenena itrangana fiovana mpitondra tsy amin'ny alalan'ny fifidianana malalaka sy tsy misy hosoka, indrindra indrindra fa ny tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana mitam-piadiana.

Tsy mahagaga raha tsikaritry ny ankolafy Rajoelina fa tsy misy fanohanana ny fitondran'izy ireo mihitsy avy amin'ny sehatra iraisam-pirenena na hilaza fahazato faharivo eo aza izy fa izay no safidin'ny vahoaka malagasy rehefa tsy tamin'ny alalan'ny fifidianana malalaka sy tsy misy hosoka no nahazoanao ny fahefana. Mazava loatra ihany koa fa ny any amin'ny fikarakarana ny fifidianana ihany no hanampian-dry zareo ny fitondrana tetezamita iraisan'ny rehetra (mba fifanarahana ankolafy lehibe eto amin'ny firenena), ary tsy tokony hisy resaka fampandrosoana na fitokanana zavabita izany mandritra ny tetezamita fa tokony hiompana amin'ny fanomanana ny fifidianana ihany izany.

Noho izany raha mihevitra ny hahavita samirery ny famitana ny tetezamita ny ankolafy Rajoelina dia tsy mila manaja ny fifanarahan'i Maputo ary tsy mila mankany akory aza, fa raha mihevitra fa tsy mety ity raharaha ity raha tsy iaraha-mitondra sy ialàna amin'ny fifoteran'ny hatezeram-bahoaka ny ankolafy Rajoelina dia tsy maintsy mandefitra dia mandefitra na mihevi-tena ho manana hery sy ny fitaovam-piadiana aza.

Resaka hafa madinika: Milaza ho mampanao fifaninanana hiofana ho manamboninahitra tsy nanana asa afa-tsy ny nanongam-panjakana indray ny Akademia Miaramila ao Antsirabe, rehefa hitan'ny filoha Ravalomanana tamin'ny androny fa toa vava mihinana fotsiny no ilàna an-dry zalahy ireto sady efa tsy tsiambaratelo intsony ny fahalalàna fa ny zanaka manamboninahitra ambony ihany no voalohan-daharana tafiditra ao. Antony iray nahatezitra ny miaramila koa iny fanapahan-kevitry ny filoha tsy hampiditra miaramila manamboninahitra iny intsony. Mbola ampiana isa indray ve ireto kolonely efa an-jatony fanadiam-bola fotsiny ho an'ny firenena ireto? Tena maika ny hampiditra ny havany hitavan-karama mihitsy ry zalahy mpanogam-panjakana hitazonany ny hery sy ny fiadiana hiarovany ny sezany sy ny tombotsoany tsy azo tsikeraina e!



jentilisa, zoma 21 aogositra 2009 amin'ny 13: 17

Ny fanambaran'ny filoha Marc Ravalomanana voarakitra an-tsoratra

2009-08-09 @ 12:00 in Politika

Nanao fanambarana ny filoha Ravalomanana tamin'ny sasak'alin'ny 08/08/09 hifoha 09/08/09 nialoha ny fanaovan-tsonian'ny satan'ny tetezamita iraisana. Toy izao manaraka izao izany fanambarana nataony tany Maputo, Mozambika izany:

Ry Malagasy mpiray tanindrazana, ny voaloha-teniko dia fisaorana an'Andriamanitra, noho ny fitahany ka nahatongavantsika amin'izao tanjona fampihavanam-pirenena izao. Nandalo fotoan-tsarotra tokoa mantsy ny tanindrazantsika hatramin'ny voalohan'ny volana fevrie taona 2009 ka hatramin'izao. Voatohina mafy ny fihariam-panjakana sy ny firaisam-pirenena satria nisy ny fandrombaham-pahefana. Mitontongana ny fiharian-karena ary miharatsy ny fifampitokisan'ny Malagasy, sy ny soatoavina malagasy... Koa hamerenana haingana ny fandriampahalemana sy ny filaminana ary hanarenana ny toe-karena dia heveriko fa tonga ny fotoana andraisan'ny mpitarika politika rehetra andraikitra eo anatrehan'ny tantara ary hametraka amin'ny toerana maha-izy azy ny tombontsoam-pirenena sarobidy loatra ary manan-kasina ny tanindrazantsika ka dia natao takalon'aina ny vahoaka malagasy(...) Ambarako fa tsy izaho velively no sakana amin'ny ahitantsika lalan-kivoahana amin'izao krizy mitranga amin'ny firenentsika izao.

Amin'ny maha-filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara ny tenako, mpitandro ny firaisam-pirenena, dia manambara amin-kitsim-po aho fa vonona  hampangina ny hambom-po maha-olombelona, hikatsaka vaha-olana iraisana amin'izao krizy mitranga amin'ny firenentsika izao; ary matokisa ahy ry vahaoaka malagasy fa fitandrovana ny tombotsoa ambonin'ny firenena dia heveriko fa fahendrena ny tsy handraisako anjara ny rafi-pitantanana ny tetezamita iraisana nefa kosa ny movansa Marc Ravalomanana, mandala ny ara-dalàna dia mandray anjara mavitrika amin'izany. Hiverina an-tanindrazana tokoa aho araka ny efa nambarako hatramin'izay, ka matokia ahy ianareo, aza matahotra, minoa fotsiny ihany.

Manao antso avo amin'ny mpitondra politika rehetra aho hametraka ny tombotsoam-pirenena ambonin'ny zavatra rehetra. Mangataka antsika rehetra aho hitandro hatrany ny fihavanana sy ny firaisan-kina. Andeha isika hanokatra pejy vaovao ho an'ny firenentsika ary hifantoka amin'ny hoavy. Midera tanteraka ny herimpo mariky ny fitiavantanindrazana nasehonareo rehetra aho tamin'ny fiarovana ny Lalampanorenana sy ny ara-dalàna.

Misaotra ny vahoaka malagasy aho, indrindra ireo mpanohana ahy, ireo rehetra nametraka tamiko ny fitokisany ary nitondra ihany koa ny anjara biriky amin'ny fikatsahana vahaolana iraisana sy filaminana amin'izao krizy ivoahantsika izao. Miantso ny tsiairay aho, izay tandrify, mba hanao araka izay azo atao amin'izao tetezamita iraisan'ny Malagasy rehetra izao hananganantsika an'i Madagasikara vaovao. Matoky isika fa horaiketin'ny tantara izao fitiavan-tanindrazana nasehontsika rehetra izao. Isaorako manokana ny Malagasy nametraka izay rehetra vitantsika...miasa miaraka isika.

Isaorako ireo Fianakaviam-be iraisam-pirenena, ireo mpiara-miombon'antoka amintsika, indrindra indrindra ny fikambanana SADC, ny Vondrona Afrikana, ny OIF, ny firenena mikambana ary ireo iraka manokana tamin'ny fandraisana anjara mavitrika hitadiavana vaha-olana maharitra hiverenan'i Madagasikara ankehitriny ho ao anatin'ny Fianakaviam-be iraisam-pirenena tokoa i Madagasikara fa tsy maintsy atao izay hanampiana azy. Manolotra fisaorana manokana ny andriamatoa sy filoha Joachim Chichano sy ireo mpiara-miasa aminy tamin'ny ezaka rehetra natao nahatanteraka amin'izao fiaraha-miasa (miaraka) izao. Mankasitraka manokana ny filoha sy ny governemanta ary ny vahoaka Mozambikana aho izay nandray sy nampiatrano ny fivorian'ny mpitarika efa-tontan'i madagasikara ary nahazoam-bokatra izany...

Misaotra ihany koa ireo mpitarika politika telo mirahalahy aho miaraka amin'ny delegasionany avy niainga avy any Madagasikara ho tonga eto Mozambika. Horaiketin'ny tantara ny ezaka sy ny fitiavana nasehontsika, fitadiavana vahaolana maharitra amin'izao fahasahiranana mahazo ny firenentsika izao, hampanjaka ny fihavanampirenena sy ny fananganana firenena vanona isika... mba hahazoantsika an'i Madagasikara vaovao.

Eto am-pamaranana ary, dia mirary soa anareo rehetra aho, indrindra ianareo izay hitondra ny tetezamita mba hahavita an-tsakany sy andavany ny andraikitra rehetra iantsorohanareo. Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra.



jentilisa 09 aogositra 2009

Maputo: tsy mbola tapaka ny momba an-d Ravalomanana (Nofitahina ny Magro)

2009-08-08 @ 19:05 in Politika


Raha efa nalaza sahady fa hiverina ary hody ny filoha Ravalomanana nandritra ny fihaonana teny amin'ny kianjan'ny ara-dalàna dia tsy nanamarina izany kosa ny solontenan'ny fironana Ravalomanana any Maputo nandritra ny vaovao hariva tao amin'ny radio fahazavana. Hanakory moa izao ny fahadisoam-panantenan'ny mpanohana an-dRavalomanana amin'ny andro manaraka? Naninona kosa no fitahina ny olona? Indreto ny sarin'ny fifalian'ny mpitolona tamin'ny asabotsy 08/08/2009.
 
 
 
 
 
 
vita ny sary tompoko, 08/08/2009 

Ny tetika famonoana ny tolon'ny ara-dalàna -fizarana faharoa-

2009-07-05 @ 11:43 in Politika

Ity lahatsoratra ity dia tohin'ny lahatsoratra nosoratako tamin'ny herinandro mitondra ny lohateny hoe : "Ny ako sy ny hevitra momba ny fankalazana ny 26 jona 2009 - fizarana voalohany-". Novaina kely ny lohateny iavahana tamin'ny teo aloha mazava loatra. Tamin'ny voalohany isika dia tsy nahita loatra ny tany amin'ny tolon'ny mpandàla ny ara-dalàna. Ato no amenoantsika azy. Hiezaka ny hanafohy azy noho ny tsy fahampian'ny fotoana.
Tsy hitako io taratasy io raha tsy efa nody aho

Fotoana nandrasana hatry ny ela tokoa ity fetim-pirenena ity hanaovana fety miavaka sy tiana ho tadidin'ny tantara. Tsy tontosa anefa izany araka ny fomba fijeriko satria tsy maintsy eo ihany koa ny mitady mandrakariva ny hanohintohina na hamotika ny tolona mihitsy aza. Misy asa avy ao anatin'ny tolona sy ivelany io fitadiavam-pandravana ny tolona io. Tsarovy fa tsy maintsy hitady izay handravana ny tolona ihany koa ny mpanongam-panjakana. Ny tena tsy zakany dia ny fidradradradrana mandrakariva fa amin'io andro io no iverenan'i dada. Efa hatramin'ny voalohany nandrenesako izay no nahalalako fa sarotra izany fahatongavany eto an-tanindrazany izany noho ny toe-java-misy.
Rehefa manahy ny mety ho trangan-javatra dia aleo mailo hatrany.
Ny harivan'ny 25 jona 2009 dia niomana ho amin'ny fandefasana afomanga etsy amin'ny farihin'ny Marais Masay ny mpanohana ny ara-dalàna, na ny marina kokoa dia izay no nolazain'ny mpitarika. Ny sarambambem-bahoaka no mamonjy io toerana malalaka dia malalaka io fa ny mpitari-tolona sy mpitarika fikambanana rehetra kosa mamonjy ny fivoriana manokana eny amin'ny Bel'Air Ampandrana araka ny fiantsoana natao ny omalin'io. Toerana efa fantatry ry zareo io na dia tsy lazaina ampahibemaso intsony aza. Teny Ampandrana no nakana an-keriny ny depiote Meme (Yves Aimé Rakotoarisoa) sy ireo niaraka taminy. Nisy ny nampandre ny namana mpitari-tolona avy hatrany raha vao nisy io tranga io ka niafenan'ny hafa. Nifanindran-dalana tamin'izany fakana an-keriny ny depiote Meme izany ihany koa ny nandrobàna ny fiara mpitondra ny fanamafisam-peo nahazo ny anaram-bositra hoe "Force One number Two". Ireo no fiandohan'ny teti-pandravana ny tolona nandritra ny fetim-pirenena.

Miandry fihetsika tsy voahevitra avy amin'ny mpitolona ho amin'ny ara-dalàna ny mpanongam-panjakana eto ary efa tsara petrapetraka mihitsy ny teti-panorona. Tezitra dia tezitra tokoa ireo mpandala ny ara-dalàna raha nahalala ny fisamborana sy ny fandrobàna fiara, tsy nety niala teo amoron'ny ranon'i Masay ry zareo raha tsy efa alimbe. Dia raikitra ny fifampiantsoana fa "hanao action" ny ampitso vao maraina ka hifamotoana eo ambavahady amin'ny valo ora maraina. Io no vovo nandrasan'ny mpanongam-pajakana satria raha vao misy ny fitenenana hoe "action" dia toa fanimbana sy fandravana avy hatrany no ao an-tsaina. Tsy misy akory manko ny filazana mazava hoe inona ilay "action" atao, hanaotao foana izany na miandry izay fihetsika ataon'ny iray amin'ny tangoron'olona dia raikitra izao. Tsy voatery ho mpitolona anefa no hanomboka izany fihetsika izany fa olona efa nahazo toromarika na voabaiko, ary mety ho ao anatin'ny singa mpandrava ny tolona mihitsy aza.

Tranga iray, mety ho tsy voamariky ny maro tamin'io famerimberenana ny "hanao action" io dia ny fihemoran'ny olona nihevitra ny hanao karazana fety teny amin'ny kianja malalaky ny Auditorium. Raha fianakaviana, ombam-bady aman-janaka no tokony ho tonga teny dia lasa ny tanora sy ny lehibe tena sahy sisa no nandeha noho ny fiahiana ny madinika, ny tsy tia gidragidra sy manahy indray sao hisy zavatra hanjo azy kosa naleony nijanona an-trano. Mihena be dia be avy hatrany ny isan'ny olona tokony ho tonga teny an-toerana tamin'io fotoana io. Nahazo isa 1 izany ny mpanongam-panjakana  rehefa tsy vahoaka maro be araka izay nandrasana no tonga. Nahatsapa izany ve ny mpitolona?

Nampiverina ilalana olona vitsivitsy ihany koa ny tonga dia nibahanan'ny mpitandro ny filaminana ny vavahadin'ny Auditorium. Handrangitra ankolaka ny olona hiditra amin'ny herisetra sy ny fanaovana fihetsika tsy voahevitra ihany koa io. Tora-bato ahafahana miditra an-tsehatra handrava tanteraka ny tolona no tena nandrasany saingy nisy ny andian'olona avy hatrany dia nanatona azy ireo ka niresaka tamin'izy ireo. Namaly moa ny mpitandro ny filaminana fa tsy mikasa na oviana na oviana ny hitifitra azy ireo rehefa tsy misy izay antony anaovany izany. Tadiavin-dry zareo ny hidiran'ny olona am-pilaminana ny kianja malalaky ny Auditorium fa tsy hanelingelina kosa ny fifamoivoizana. Ny horakoraka tsy ifandrenesana nataon'ny olona teny ampita sy lafiny atsimo somary mihamaro no nampihemotra ireo mpitandro ny filaminana ireo haka ny toerana ery amin'ny siniben-tsolika ery amin'ny 250m avaratra ery.

Eto amin'izay ny tranga iray nampisalasala ny maro ihany koa. Misy amin'izay ny andian-jatovo nibahabahana ny vavahadin'ny Auditorium na/sy ny arabe mifanolotra aminy mazava loatra. Raha jerena ivelany dia ny fiarakodia no sakanan-dry zalahy tsy handalo amin'ny lalambahoaka (rehefa tsy nifanarahana tokony tsy hatao e!) nefa ny fidiran'ny olona any amin'ny kianja izay mifefy mihitsy no tsapako sakanan-dry zalahy ireto. Voatery nanakatona ny vavahady mandrakariva ireo efa tao anatin'ny kianja iavahana sy tsy iraisana amin'ireo eo ivelany raisina avy hatrany ho mpanakorontana ireo. Mety ho nisy ireo tena tezitra tamin'ireo zatovo ireo, saingy nahamarika kosa aho fa olona tsy te-hiditra velively ao an-kianja ry zareo fa nitady mandrakariva ny handehanan'ny olona hirohotra any amin'ny toerana tsy fantatra, izany hoe tsy hita nanjavonana ry zalahy raha misy ny olona voatarika hihataka ny kianja fivoriana. Mazava loatra fa lasa maro ireo olona no tsy sahy niditra tao an-kianja fa niandriandry hatrany eny ivelany ahafahany mitsoka haingana raha misy ny sanatria. Teo aho no nahatsikaritra fa misy tovovavy niezaka mandrakariva ny handresy lahatra ny tovolahy mbola tsy niditra ny kianja, fa ny nahafaly ahy dia maro tamin'ireo tovolahy nohatonin'izy ireo no nandà avy hatrany fa raha tsy baiko ery amin'ny sehatra mihitsy dia tsy hanao izany "action" izany. Lasa nanara-maso azy ireo mihitsy aho ka hitako fa tsy niditra ny kianja mihitsy izy ireo fa nisy tovolahy naka tamin'ny scooters. Hafa avy hatrany ny hevitro fa nokaramaina handrangitra mihitsy ry zareo.
Tonga fanindroany indray ny zandary! efa nakaton'ny mpitolona ny vavahady iavahana amin'ireo any ivelany. NIverina tsimoramora ihany ry zareo avy eo!
Tsy mbola nisy velively ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso hatreto.

Ny nanampy trotraka nahatonga ny fisavoritahana sy firoanahan'ny mpitolona tamin'io andro io ihany koa dia simba ny iray amin'ny "gropy" famelomana ny fanamafisam-peo hany ka megaphone mampalahelo no niezahana hanentanana ny olona saingy tsy nahasehaka ny hamaroana mihitsy izany. Efa tamin'ny roa folakandro mihitsy vao voaarina ny fahasimbana ka teo vao nanomboka ny fomban'ny tolona rehetra. Niezaka hatrany aho ny hiandry hatramin'ny farany saingy milòna loatra ry zareo ny fotoana an! adiny iray sy sasany re raha be indrindra dia ampy fa manjary mankalao ny olona e! sa izany ihany koa no tadiavinareo, hamonoanareo tsikelikely ity tolona hamerenana ny ara-dalàna ity?
Hahavita inona moa iny Megaphone iny?
Fomba iray nentina nitazonana ny olona tsy hivoaka any ivelany ihany koa ny nijoron-dRazily niaraka tamin'ny baiboly sy ny saina (mbola nalainy ny baiboly avy eo!)
Nandritra izany fotoana izany, nanao ny nataony amin'izay ry zalahy teo ivelany, nitoraka ny fiaraben'ny Kaominina ry zalahy! Hitako tsara ilay nitoraka, ary vatokely (natao hampitahorana sa tsy tena sahy?) no nalefany. Mety ho niandry ny hafa sahisahy kokoa izy ireo nefa... Ny tena naharangitra an-dry zalahy dia ireo miaramila Frantsay, nanao fanamiana Frantsay roa lahy nandeha fiara nandalo teo. Fandranitana ihany koa ve?
Nandritra ny hiram-pirenena. Nanangan-tsaina izay nitondra izany!
Nahofahofa izany avy eo!
Rehefa nandeha araka ny mahazatra ny fandaharam-potoana dia nihataka tsikelikely ireo "mpanakorontana" teo am-bavahady. Tsapako fa nihanilamina sy tsy hendratrendratra intsony ny olona ka lasa aho namonjy fodiana amin'izay. Gaga aho rehefa avy eo nandre fa noravan'ny mpitandro ny filaminana ry zareo rehefa tokony ho tamin'ny dimy ora folakandro teo ho eo. Tsorika fa tsy azoko mihitsy ny nahatonga izany fihetsiky ny mpitandro ny filaminana izany. Rehefa tonga moa ny alatsinainy dia tafavoaka indray ny depiote Yves Aimé (Meme) ka nolazaina taminy fa afa-mivoaka izy satria tsy misy ny vesatra ahafahana mitazona azy. Resaka baomba manko no nilazana fa antony voalohany nisamborana azy. Izay no naharesy lahatra ahy tanteraka fa nisy tetika maty paika handravana ny tolona tao saingy nahombiazana kosa ry zareo tamin'ny fampiverenana ny olona tsy hiditra tao an-kianja, ireo tena sahy nefa tsy mila gidragidra sisa no nahasahy nitsofoka lalina. Tadidio fa misy vaovao tselatra hatrany ao amin'ny twitter-ko.

Nandritra ny hiram-pitolomana kosa ity sary ity! tsikaritrareo ihany angamba ny totohondrin'iny olona sady mihira.
An-dalana hody kosa izao rehefa nieritreritra fa tsy hisy zava-mitranga intsony!


 

jentilisa 5 jolay 2009, amin'ny 13: 44

Nandrovi-tsihy ny miaramila saingy tsy rava ny tolona

2009-06-22 @ 05:01 in Politika

Mbola tany am-pividianana ny carte SD ho amin'ny fakantsary vao novidiana aho ka tsy nahatratra sary ny fandrovitan-tsihy nataon'ny miaramila tamin'ny Sabotsy 21 jona lasa teo. Misy ihany anefa ny sary nampiseho fa nandalo teo amin'ny Magro Auditorium Ankorondrano ry zareo tamin'io andro io ary mbola teo ampiantsoana ny lehibeny tany ambadika tany ny mpitarika azy ireto nijery ny tombatomban'ny mpitolona tao angaha!

Misy foana ny mihevitra fa vitsy ny mpitolona ao rehefa mijery hatrety ivelany, nefa tsy ao an'eritreriny velively ny hadadasiky ny toerana misy ireto mpitolona ireto. Efa misy tsindrimandry ihany ny maro fa hisy zavatra mitranga amin'ity herinandro ity ary izay no nahamay ahy hividy fakantsary vaovao hanolo ny simba teo aloha.

Betsaka tamin'ny mpitolona tao Ankorondrano no tsy nahalala akory fa nisy ireo miaramila sy zandary ireo saiky handrava ny tolona tao amin'ny magro mihitsy. Noravan'izy ireo tsy nananany antra ny fiomanana hilahatra saiky hataon'ny tanora teo amin'ny rond-point Antanimena, nisy ny voatifitra ka naratra, ilay tapa-tanana moa dia nilaza fa teo amin'ny telo metatra niala taminy ilay miaramila iray no nitifitra azy tamin'ny bala fingotra ka nahatapaka ny tanany. Nisy ihany koa mazava ho azy ny baomba mandatsa-dranomaso.

 

Nihoam-pahefana ireto miaramila ireto ka izay nitangorongorona rehetra dia norarafany tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso avokoa. Tsy nahagaga raha nolerany ihany koa ireo olona nivorivory teo anoloan'ny biraom-pokontanin'Ankorondrano. Olona mampanao didipoitra ny zanany anefa ireo olona ireo, ka tahaka ny ahoana moa ny mahazo ireo zaza hatao hasoavana? Niala bala ry zalahy rehefa nahatsapa ny tsy nety nataony, na izay mihitsy ny tena paikany, ka io zavatra nataony io no antony saika handravany ny teo amin'ny magro. Na dia noravany aza anefa ireo tanora teny Antanimena ka maro tamin'ireo tanora ireo no tsy tody intsony teny amin'ny Magro dia aseho anareo ihany ireo sisa teny Ankorondrano saingy tsy sahin'ny miaramila tampoka ny nandrava azy. Marihina fa andro faharoa saiky handravana ny tolona io andron'ny sabotsy io fa ny zoma ry zareo no efa saiky handrava, saingy noho ny fifamoivoizana nihitsoka dia tsy sahy ry zareo sao mihitsoka ihany koa ny fiara mitondra azy ireo. Maro tamin'ny vatan-dehilahy tao amin'ny magro rahateo no efa vonona dia vonona raha nanao tsy tsy mety teo ireo miaramila ireo.

 

Ny manahirana dia misy ny fanapahan-dalana eo anoloan'ny gara noho ny fety nefa toa tsy nahasarika olona araka ny nanampoizana azy loatra ilay fety nandritra ny roa andro aloha izay. Asa hanao ahoana tokoa ny tohin'ireo rehetra ireo amin'ity herinandro ity.


jentilisa, 22 jona 2009

Nahoana aho no terena hisafidy amin'i Babylona sy i Egypta?

2009-06-12 @ 23:31 in Politika

Fa inona ity resaka fivavahana tampoka ity? Tsy voatery ho fivavahana fotsiny fa misy resaka tanindrazana ihany koa ao anatiny. Na Egypta na Babylona dia samy anarana firenena, ary firenena lehibe sy nanana ny lazany tamin'ny androny. Mbola tsy firenena Isiraely no efa nanana ny lazany i Egypta. Nitondra ho babo ny mpanjaka, ny lehibe amin'ny firenena ary ny manam-pahaizana tao amin'Isiraely kosa i Babylona rehefa resiny ny firenen'Isiraely.

Olona iray no namidy ho andevo tany Egypta kanjo lasa praiminisitra iny olona iray namidy ho andevo iny taona maromaro taoriana; ka nampanantsoiny ny fiankavian-drainy (Jakoba na Isiraely) iray manontolo hitoetra akaikiny kokoa ary nomena faritra malalaka iray antsoina hoe Goshena. Ny voalohany namidy ho andevo tamin'io fianakaviana io ihany no tonga tany tsy tamin'ny sitrapony fa ny 70 ambiny kosa nonina tany noho ny  nahim-pony sy ny fandosirana kere tany amin'ny faritra nihaviany. Ela ny ela, an-jatony taona taty aoriana, niova ny mpitondra tany amin'io firenena io. Hitan'ilay mpanjaka fa nitombo ireo mponina tao Goshena ka feno azy nanerana ny firenena, natahotra ny herin'ireo mponina tao ingahy Farao na ilay mpanjaka egyptiana. Manahy izy, na izay no paika entiny hamotehina ireo olona ireo, fa raha miray amin'ny tafika vahiny ireo dia ho resy tosika ny fanjakany. Inona no nataony? Naveriny ho amin'ny fanandevozana indray ireo olona tonga tamin'ny nahimpony tao amin'ity firenena ity. Atao hoe fanandevozana satria noterena hanao ny asa mety ho tsy ankasitrahany. Omena ny asa mafy indrindra ihany koa. Atao tsy mahatsiaro afa-tsy ny asa mba hahareraka azy dia hihena ny taranany, kanjo izay vao maika nampitombo ny zanak'Isiraely bebe kokoa. Nalefa indray ny tetika hamerana ny isan-jaza, ka raha vavy no teraka dia velomina fa raha lahy kosa dia vonoina... amin'izay levona ny anaran-dray. Nefa dia mbola nisy ihany mpampivelona nanao tsara ny asany ka namelona ny lahy hatrany. Hatraiza ny halalin'ny fankahalàna? Soa fa niasa hatrany ny fitiavana, jiro kely mitsilopilopy anatin'ny aizi-kitroka manarona ny firenena. Nandevozina an-tanin'olona ireo.

Ankehitriny, ho'aho, nanararaotra ny krizy manerantany sy teto amin'ny firenena manokana ny maro amin'ny orinasa maro ka manao izay hangejana ny mpiasa tsy hiompana afa-tsy amin'ny asa ny atao rehetra. Tena misy ny orinasa tsy afa-manoatra ka tsy maintsy manala ny mpiasa ao aminy fa misy dia misy ho'aho ireo orinasa no manala mpiasa Malagasy mba hampidirana mpiasa Frantsay eto amin'ny firenena misy ahy. Ny karama anefa tsy mitovy velively ka tsy maintsy mpiasa Malagasy maromaro no asolo vazaha iray. Misy idiran'ny krizy ve izany? Sao dia saina manga, fotsy, mena amin'izay no atsangana amin'ny fetim-pirenena fa tsy fotsy, mena, maitso ry zareo? Dia ahemotra 18 andro monja ihany koa ny fankalazana ilay fetim-pirenentsika? Angaha izay ihany! Mba hitsinjovana tsy handroahana ny maro an'isa sy tsy hanakatonana ny orinasa dia miara-mihafy ny rehetra (izany hoe ny mpiasa ankoatra ny tale isan-karazany) ka mifandimby miato amin'ny asany sady tsy miasa no tsy mandray vola araka ny andro tsy iasana. Dia mikaonty ao anatiny ihany koa ny alahady... Oadray, fa angaha lasa karama isan'andro ilay isam-bolana teo? Ary raha ao anatin'ny andro iasanao ianao no marary tampoka na misy voina na sampona hafa dia mitady olona hisolo anao ianao, ka ianareo no mifanaraka amin'ny karamany, izany hoe ianao no manome karama io olona io fa raha tsy izany dia voaroaka ianao satria nandao ny asanao. Orinasa frantsay izany! iza avy moa ireo miteny hoe aleo ihany zanatany Frantsay? Santionany ary io e! Indrisy fa andevozina eto amin'ny fireneny.

Fa inona indray no idiran'i Babylona amin'ity resaka ity? Fa inona no nampiavaka ity firenena ity? Nobaboiny ny maro tamin'ny zanak'Isiraely. Nampiasainy ho amin'ny tombotsoany. Tian'ilay fanjakana nandresy raha mba adinon'ireo babo avokoa ny mombamomba azy tany amin'ny tany nihaviany tany, nisy ny notambatambazana ka nomena hanina avy tamin'ny anjaran'ny mpanjaka. Nomena anarana Babyloniana ka iny anarana iny no ampiasaina fa tsy ilay anarana ihaviana intsony. Nokolokoloiny tamin'ny kolontsainy sy ny fombafombany hany ka tsy mahagaga loatra raha nisy ny famelana ireo olona hiverina an-tanindrazany amin'izay no betsaka ireo nisafidy ny hijanona any ihany. Efa zatra tsinona, nahazo tambitamby sady tsy dia nisy loatra ny famoretana ary tsy nisy loatra ihany koa ny fitarainana avy tamin'ny maro nandritra ny fahababoana ka inona no mahory? Dia inona no mahatonga ny sasany mbola nody ihany? Ny ao amin'ny baiboly nanao hoe mba hanangana indray ilay tempoly ao Jerosalema izay any Jodia. Toy ny manao hoe mba hanangana indray ny firenen'i Jodia (na Isiraely). Ny tempoly no maha-Isiraely an'Isiraely tamin'izany fotoana izany koa na eo aza ny mety ho fiadanana nianohona aleo ihany manangana izay manavaka ny tena sy mampamirapiratra ny tena.

Fa iza ianareo no tsy mbola nampitsiriritin'ny firenena matanjaka ny zavatra tsara any aminy ka toy ny anehoany hoe any aminy no misy ny antsoina hoe fiadanana? Iza ianareo no hahasahy tsy hanome anarana tandrefana mihitsy ny zanakareo? Fa iza ianareo no mbola handany fotoana hilazalaza sy hanazatra ny zanakareo izay manavaka ny fahendrena malagasy ankoatra ny fanovozany ny fahalalana tandrefana sy ny fahalalam-pomba tandrefana indrindra indrindra any an-tsekoly na foiben-kolontsaina? Iza ianareo no tsy mahatsiaro ho kevoka raha mba mizaka ny zom-pirenena matanjaka iray? Dia nahoana no mbola mahatsiaro fa Malagasy ihany? Fa raha mahatsiaro fa Malagasy ihany dia tokony hifanampy amin'ilay fananganana ny rava rehetra, tahaka izany ny fiandrianam-pirenena, tafiditra ihany koa ny kolontsaina manara-penitra eo amin'ny lafiny fampandrosoana, izany hoe fanajana ny maha-olona sy ny tontolo iainana. Izaho ry zareo amin'ireo tranga roa ireo dia mahatsiaro ny tenako ho any Egypta kokoa ka aza tsiniana raha herinandro aty aoriana indray vao manoratra. Mandany fotoana manokana mihitsy.


Fa manantena inona amin'ny Amerikana isika?

Indraindray misy lafiny mahatsikaiky ihany ny tolona hamerenana ny ara-dalàna eto Madagasikara. Toa tadiavina ahindrahindra koa ny Amerikana enti-manohitra ny ataon'ny Frantsay mova tsy niverina tamin'ny androny 1947 indray? Fa ny tolona 29 marsa tokoa naompan'ny sasany tamin'ny fiandrandrana ny mety hihavian'ny tafika amerikana, izay tsy mahalala na inona na inona amin'izany, kanjo hay ny miaramila frantsay sasany ihany no manao fanamiana amerikana ka nony injay faly mahita iny ny olona dia aripany na baboiny tampoka. Izaho koa dia tsy sasatra ny mamerimberina fa tsy nankasitrahan'ny Amerikana loatra ny fifanarahan'ny Malagasy sy ny Koreana tamin'ny resaka fambolena katsaka satria simba ny varotra katsaka amerikana amin'izany. Rehefa Malagasy dia Malagasy fa tsy mitsiriritra ho Egypta na Babylona (Babylona Frantsay na Babylona Amerikana).


Fa naninona indray no niala tao amin'ny Magro?

Efa mba nisy ihany ny karazana fifanarahana fa tsy mila mifampitambitamby amin'izay toerana anaovana omeko tsy omeko dia taitra tampoka ny tena raha nahita tamn'ny gazety fa hankeny Ambohijatovo indray ny mpandàla ny ara-dalàna. Efa nomarihiko mazava tsara fa kely noho ny eny amin'ny magro Ankorondrano ny eny Ambohijatovo ka tsy hitako loatra izay mbola hakana ny toerana kelikely kokoa indray. Etsy ankilany indray anefa, vao nisy nanadrohadro ankolaka ihany tamin'izay niresaka tamiko fa olona vitsy no ao Ankorondrano ka ireny ho ahitany fa diso hevitra izy niteny izany. Mbola latsaky ny roatokon'ny tamin'ny sabotsy 6 jona 2009 (manakaiky ny atsasany aza) anefa ireny olona nizotra nankeny Ambohijatovo ireny. Koa aza atao mahagaga raha tsy atonona ny toeram-pivoriana teny.

Fa nisy zava-mahagaga ahy ihany iny tamin'ny alakamisy iny ka tsara ny mitantara azy. Niserana teny Ankorondrano aho tamin'ny atoandro ka nahita ny hamaroan'ny olona tao... akoban'andro anefa io ka tsy maro noho ny tamin'ny Sabotsy mazava loatra. Niserana teny amin'ny zaridainan'Analakely manoloana ny gara iny aho avy eo hitarataratra ny zavamisy eny. Efa hita tamin'ny gazety Madagascar-Laza manko fa hankeny Ambohijatovo indray ny tolona. Hitako fa feno vato miparitadritaka eny ambony bozaky ny zaridaina. Ratsy avy hatrany ny saiko fa ho entina itorahana olona ireo vato ireo satria betsabetsaka ihany koa ry zalahy tsisy atao no matoritory sy milalao eny ambony bozaka toa miandry zavatra. Amin'ny iray ora sy folo minitra atoandro izany... Nisento aho rehefa nandre fa tsy nisy na inona na inona loatra nitranga teny an-dalana. Ataoko fa nisy herimbavaka tao.

Mba fantatrareo moa? Andro fahatelo misesy amin'ny fivavahana fibebahana ny Sabotsy 13 jona 2009 io ka nampahatsiahy ny tenin'i Mosesy tamin'i Farao hoe : Alefaso ny olona hanao andro firavoravoana ho ahy any an'efitra, lalan-kateloana (telo andro) ny toerana hanaovanay izany andro firavoravoana izany... Niniana nampitoviana ve ka ny andro manaraka ilay telo andro naompana amin'ny fivavahana manontolo no hihavian'ny "fahafahana"? Ny fantatra aloha amin'izao fotoana izao dia resy lahatra tanteraka ny miaramila amin'izao fotoana izao fa tsy maintsy ho avy ilay niteny fa ho avy na dia sarotra dia sarotra aza ny mino izany.  Eny, tarataratro fa hiakatra ambonimbony kokoa indray ny dingana amin'ny herinandro ho avy iny.




jentilisa, sabotsy 13 jona amin'ny 01:31


Namaky ady ny antso am-pinday nataon-d Ravalomanana Marc androany 28 mey 2009

2009-05-28 @ 11:21 in Politika

Indro indray omena anareo ny antso nataon'ny filoha Marc Ravalomanana androany alakamisy 28 mey 2009 tao amin'ny radiô fahazavana.

Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana izay mijoro sy mitaky ny ara-dalàna. Kely sisa dia olona afaka indray ny vahoaka malagasy. Midika izany fa  ireo izay nisafidy nandika lalàna tamin'ny endrika maro dia hofaizina araka izany rehefa tafaverina ny ara-dalàna sy ny filaminana eto amin'ny tany sy ny fanjakana malagasy. Hotsaraina ihany koa ireo miaramila sy zandary ary polisy izay mbola manampy sy manohana an'i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy namany amin'ny fandikan-dalàna rehetra ataony raha vao manapa-kevitra ny fianakaviambe iraisampirenena, tonga ny fotoana hamerenana ny fitondrana ara-dalàna sy ny filaminana ary ny fandriampahelamana eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara.

Miantso ireo miaramila, zandary, pôlisy rehetra tia sy filaminana sy fandriampahalemana aho ary manao ny asany amin'ny fiarovana ny aina sy ny fananan'ny vahoaka hametra-piadiana avy hatrany rehefa tonga ny fotoana asaina hanaovany an'izany. Iharan'ny sazy faran'izay henjana izay tsy manaiky an'izany.

Ireo olom-pirenena tsotra izay niharan'ny asan-jiolahy sy ny tsy rariny nataon'i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy namany dia iangaviana tsy hanelingelina ny asan'ireo mpampandry tany. Manampy antsika izy ireo hamerina ny ara-dalàna koa avelao hanao ny asany ary omeo tanana raha misy ilàna izany. Miantso ireo olom-pirenena tsotra aho, izay niharan'ny asan-jiolahy sy ny tsy rariny nataon'i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy namany. Aoka tsy hisolo ny asan'ny Fitsarana. Fantaro tsara ary tadiavo ireo nanao asan-jiolahy. Rehefa tafaverina ny ara-dalàna dia manaova fitoriana eny amin'ny manampahefana. Hosamborina izy ireo ary hotsaraina sy ho faizina araka ny lalàna.

Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana mijoro, mitaky ny ara-dalàna : Ampaherezo ny tapaka sy ny namana, ny fianakaviana, ireo mpiara-mitolona amin'izao fitsapana mamaivay diavin'ny firenentsika izao. Sahia mijoro hatrany ao anatin'ny firaisankina. Hifandray aminareo tsy tapaka aho, hilazako aminareo ny fandroson'ny tolona ataontsika ho an'ity tanindrazana malalantsika ity. Mahereza, manàna finoana, momba antsika mandrakariva Andriamanitra.

Ravalomanana Marc, 28 mey 2009


Henjana dia henjana izao kabary izao. Tena fitsapana mahamay tokoa. Nisy ny fomba fitenanana iray manao hoe mora ny manomboka ady fa sarotra kosa ny mamarana azy. Dia tsy maintsy ho tonga amin'izany ady izany ve ity tanindrazana malalantsika ity? Samia ary mieritreritra!



jentilisa, 28 mey 2009

Tsy feon-dRavalomanana ilay antso teny amin'ny Auditorium?

2009-05-26 @ 22:32 in Politika

Resaka roa samihafa no lazaina fa nataon'ny filoha Ravalomanana ny andron'ny alarobia 26 mey 2009. Ny voalohany dia nalefan'ny radio fahazavana ny maraina, mazava tsara ilay feo fa tena ny filoha Ravalomanana. Ny faharoa kosa dia ny resaka nandritra ny fihaonan'ny mpandala ny ara-dalàna teny amin'ny Auditorium Ankorondrano ny atoandro fa nampisalasala ahy tanteraka ilay feo. Tsy matoky io faharoa io aho saingy avoakoako ihany aloha :

Ny kabary ny maraina tao amin'ny radio fahazavana

Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana ary mitaky sy miady ny famerenana ny ara-dalàna, miarahaba anareo aho.

Ankehitriny i Madagasikara dia tarihin'ireo antokon-jiolahy manana tetika maizina sy miafina, tarihan’i Andry Rajoelina ary tohanan’ny frantsay sy ny firongony. Ny tanjon’izy ireo dia hanjanaka indray an’i Madagasikara, ary ny hanandevozana ny Vahoaka malagasy. Ny tetika feno fitaka vaovao ataon'ny frantsay amin'izao fotoana izao mba ialana amin’io savorovoro naterany, dia ny fampiharana ny fifanarahana vaovao ataony amin’i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy manohana azy. Ny zavatra kendren’izy ireo dia ny hisian’ny adim-poko eto amin'ny firenentsika.

Ny mpitondra an’i Madagasikara ankehitriny dia saribakolin’ny frantsay. Miasa miaraka akaiky amin’ny frantsay izy ireo, ka ampiasainy ny fomba rehetra. Tafiditra ao anatin’izany ny fampihorohoroana, ny fanenjehana, ny fanagadrana, ny famonoana ny vahoaka malagasy izay hita fa mijoro sy sahy mitaky ny ara-dalàna amin'ny ra-dalàna mba hahafahan’izy ireo mifikitra eo amin’ny fitondrana izay tarihiny. Mihevitra izy ireo fa izany fihetsika sy herisetra, fahefana izany no manome zo azy handika lalàna. Tsy izany velively anefa ny safidin’ny Vahoaka malagasy.
Tsy tian’ny frantsay handroso mihitsy i Madagasikara. Izy ihany no tiany hahazo tombotsoa. Avelany hanapotika ny fotodrafitrasa sy hanimba ny fananan'ny olona ireo olona baikony sy karamainy ireo mba tsy hampandrosoana an’I Madagasikara tsy hampivoatra ny fari-piainan’ny Vahoaka malagasy. Ireo andian-jiolahy tarihan’I rajoelina dia tsy manam-pikasana hafa, afa-tsy ny hanapotika ny fandrosoan’ny toe-karena Malagasy amin’izay dia mahantra ny Vahoaka Malagasy.Hahatongavany amin’izany dia efa  notafihany ireo fananam-panjakana sy ny fananan’olon-tsotra toy ny fangalana vola tao amin’ny Banky Foibe, tao amin'ny “Assurances”, izay fananan’ny firenena Malagasy.

Amin’izao fotoana izao dia miezaka i Andry Rajoelina, ampian’ny frantsay, handresy lahatra ny firenena miteny frantsay rehetra. Ny tanjon’izy ireo dia mba hahazony ny fankatoavana sy ny fanohanan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, amin’ny fandikan-dalàna izay ataony. Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana, manana fahasahiana sy mijoro manohana ny ara-dalàna, hanao izay tratry ny heriko aho,ary hampiasa fahefako sy ny fahaizako handrodanana haingana io fanjakan’ny baroa tarihin’I Andry Rajoelina sy ny mpanara-dia azy io mba hamerenana indray ny ara-dalàna eto amin’ny tany sy ny Fanjakana. Hahatongavana amin’izany anefa dia tsy maintsy nitety ireo firenena maro, nanazava ary nangataka fanampiana. Nanaiky daholo ireo firenena ireo hanampy antsika. Ho hambarako aminareo atsy ho atsy ny mikasika izany. Koa ambarao amin’ny Malagasy mpiray tanindrazana amintsika izao resaka ataoko aminareo izao. Ary mahereza fa mahatsiaro anareo mandrakariva am-bavaka aho.

Momba antsika mandrakariva Andriamanitra!

Ny antso nandritra ny fihaonana teny amin'ny Auditorium
 
Ny antso nandritra ny fihaonana teny amin'ny Auditorium kosa dia ilay kabary mampisalasala, satria badalela izany ilay feo, kentsokentsona ary misy fiangolam-piteny tsy fantatro ho avy aminy velively. Enga anie mba ho fanafainganana oronam-peo no nahatonga ny fiovam-peo tsapako satria tahaka ny haingam-piteny loatra ilay olona no niteny nefa tsy tezitra (Tsoriko aloha fa feon'i Raharinaivo Andrianatoandro kokoa no fahenoako ity kabary ity fa tsy an-dRavalomanana velively), mampisalasala ihany koa ny fiatoam-piteniny, Misy ihany anefa ny marika toa ilazana fa izy no miteny. Indro ampitaiko ihany na dia izany aza:

Miarahaba anareo vahoaka marobe tonga eto amin'ity toerana ity aho. Manahoana daholo ianareo e!

Mahatsiaro aho ary mankasitraka mandrakariva ny fitiavana ao anatinareo ao, ny fandaminanareo rehetra... izay hihaonantsika tsy ho ela, minoa ahy ianareo fa tsy maintsy hotanterahintsika izany. Mahatoky aho, mahatoky aho fa mahalala ny tokony ataony ny vahoaka Malagasy ary ho saro-piaro amin'ny fitiavan-tanindrazana ka dia enga anie izao fihetsika ataontsika rehetra izao, izao fikarohana vahaolana izao mba ho tanteraka hatramin'ny farany ary tsy matahotra isika satria momba antsika Andriamanitra. Ny zavatra anakiray tokony homarihina sy ampahafantarina anareo dia izao: Tsy hamelantsika mihitsy raha tsy miverina amin'ny laoniny ny filaminana ary ny lalampanorenana tsy maintsy hajaina toy ny anakandriamaso ary indrindra indrindra ny tany tan-dalàna.

Ary Mampahahelo dia mampalahelo ny mahita ny fijalian'ny vahoaka malagasy ankehitriny; miafina, mandositra, tsy mba manana izany zo maha-olona azy izany. Tena mangirifiry ny fiainana ankehitriny ka hoy aho ry vahoaka malagasy : Samia manao araka izay azo atao mba hiarovana ny ara-dalàna. Ny zavatra tiako ampitaina farany : Aoka mba samby hitovy ny fomba fijerintsika ary hiara-hientana isika handresy an'izao hetsika sy fandrobana ataon'ny sasany izao, fandrobam-pahefana, ary indrindra indrindra ny fiadiavan'ny sasany hanasarahana iindray ny firenentsika, tsy manaiky an'izany mihitsy isika Malagasy, tsy manaiky an'izany isika.

Ny hafatra tiako apetraka aminareo ary dia samia, samia hoy aho aminareo manana ilay faharetana sy ilay finiavana manao zavatra. Satria izay ihany no ahafahantsika manatanteraka ireo ilay finoana ananantsika, indrindra indrindra ny fijoroantsika, ny fitiavana, izany entanin'ny fitiavana izany dia mahavita zavatra.

Izao hetsika ataonareo izao dia (...)  amin'ny firenen-drehetra, ary miara-miasa amintsika ny firenen-drehetra dia mba manohana, ny firenena izay(?)  toy ny firenena afrikana, ny eoropeana, ny aziatika manohana antsika avokoa, koa matokisa fa tsy maintsy hanampy antsika izy ireo. Holazaiko amainareo atsy ho atsy ny vokatr'izany fiaraha-miasa izany ka dia manantena isika, mino isika fa momba antsika Andriamanitra.

Mandrapihaona indray ary ry vahoaka Malagasy!

Hatreo ilay antso, rehefa mihaino aho dia tahaka ny mieritrritra fa misy tenin-dRaalomanana atsofotsofoka any anatiny any ka any amin'ny fehezanteny mampiahiahy mihitsy ny feony no toa misy fampirisihana ankolaka ny hoe tsy maninona ny mifampidinika toy ilay teny manao hoe "enga anie izao fihetsika ataontsika rehetra izao, izao fikarohana vahaolana izao mba ho tanteraka hatramin'ny farany ary tsy matahotra isika satria momba antsika Andriamanitra." Miharihary anefa fa ny tanjona tokan'ity fifampidinihana eny amin'ny Carlton amin'izao fotoana izao ity dia ny hampaneken'ny Firenena ivelany ny fitondran'ny mpanongam-panjakana. Izay no fahitako azy. Azo atao ihany koa ny maka ny antsipiriany toy ny hoe "miara-miasa" tsy fitenin-dRavalomanana fa miasa miaraka no fiteniny.

Amiko : Namadika ny tolona ny mpitarika ny mpandala ny ara-dalàna teto an-toerana.

Fa na izany na tsy izany dia tsy ekeko mihitsy ny dinika ataon-dry zalahy milaza ho misolo tena an-dRavalomanana amin'izao fotoana izao. Raha ny hitako tamin'ny fahitalavitra dia nolazainy fa resaka momba ny famotsora-keloka mihitsy no hfampidnihana. Ny mivoaka amin'ny vaovao anefa avy eo dia vita ny fizaran-tseza eo amin'ny efa-tonta nifampidinika. Hatreto dia tsy hita akory ny resaka fanafahana ireo mpitolona mpandala ny ara-dalàna nalaina an-keriny rehetra. Tsy tezitra tahaka ny talata 26 mey 2009 indray aho satria maika ny hifampizara seza no hitako ataon-dry zalahy rehetra tao. Raha izaho manokana dia tsy manaiky izay famadihana nataon'ny solontenan'ny mpandala ny ara-dalàna izao aho. Tsy maintsy lazaina isan'andro ve izy ireo fa tsy ilaina ny fifampidinihana amin'izao endriny izao? Ny hitako ihany koa dia maro amin'ny mpanaraka azy (izay nijery tvplus) no tezitra tamin'izay nilaza ho solontenan'ny fironana notohanany avy. Samy miteny avokoa moa ny rehetra fa tsy fitiavan-tanindrazana mihitsy no taratra tao fa fitiavan-tseza mibaribary! Efa mba nampitandrina ihany ny tena fa tsy noraharahiana!

Na izany aza mahavelombolo ny mahita fa mety hihetsika hanohitra ny fahatongavan'i Dada eto Madagasikara ny tarik'i Alain Ramaroson amin'ny Sabotsy ho avy izao. Mahaelombolo satria hampiakatra ny hafanampon'ny mpadala ny ara-dalàna samy haneho ny hamaroany fa enga anie tsy hihaona na ho tafahoana an-dalana kosa. Raha izaho, tsy mampaninona ny mifanena amin'izy ireo fa tsy tsy fahazakana ny hevitry ny hafa mankamin'ny fanaovana herisetra eo amin'ny samy sivily kosa no tsy laitra. Mahavelombolo satria ny mpikambana ao amin'ny HAT ihany koa izany no hanatontosa hetsika politika izay raràn'ny ao amin'ny FAT amin'izao fotoana izao. Efa fahitana fikoropahana eo amin-dryzareo ihany izany aloha amiko. Na izany aza, ny hatao amin'ireto mpitarika ny tolona namadika ireto no mety tsy hahitako tory amin'ity alina ity nefa efa miverina any Babylona tsy mahalala andro fialan-tsasatra indray ny tena amin'izao fotoana izao.


jentilisa, 27 mey 2009 amin'ny 00:33

[nampiana] Ry mpitari-tolona isany ô! Aza simbàna re ny tolona e!

2009-05-23 @ 21:15 in Politika

Dieny mbola Asabotsy alina izao, ary mbola misy ny alahady ahafahana mifampita hafatra tsara, dia ampitaina amin'ny rehetra ny hafatra napetraky ny filoha Ravalomanana, ka ampitaina tsara amin'ireo mpitari-tolona ho fantany tsara fandrao diso fihaino na tsy nandre tsara ny tenin'ny filoha Ravalomanana nanoloana ny mpanohana azy sy ireo mpandala ny ara-dalàna teny amin'ny Auditorium io sabotsy 23 mey io ry zareo. Nandaniako fotoana mihitsy ny namadika azy an-tsoratra ary mety misy ny fomba ahafahanareo mpamaky eto an-tserasera mihaino azy koa; dia tsakotsakoy tsara izay voambara fa aza ahodikodina intsony ny resaka.

Ny kabarin'ny filoha Ravalomanana

Ry vahoaka marobe tokoa, miarahaba anareo amin'ny foko manontolo mihitsy aho. Tsy ho ela intsony dia ho tonga eto Madagasikara aho fa aza matahotra ianareo. Ny zavatra anankiray tiako horesahina sy lazaina aminareo dia izao : iarahantsika mahita tsara ireo mampiady sy sy manankorontana ary mampivahavaha ny fifampatokisana, fa minoa ianareo ahy fa ny zavatra resahiko sy ny zavatra ataontsika tsy maintsy mipetraka amin'ny fifampatokisana tanteraka, noho izany rehefa misy mitady hampizarazara ny tolona ataontsika, aza manaiky izany ianareo fa izay teneniko anareo fa tena manohana sy miady hatramin'ny farany ary amin'ny fo manontolo, io ihany no marina.

Maika dia maika ny ezaka ataontsika sy ny tolona ataontsika ary ny fitakiantsika ny ara-dalàna dia Miantso anareo aho, ary milaza aminareo mba hiray hina tsara, ary ho hita ihany ny olona mivadika palitao... (tsy heno tsara fa lasa tombandresaka na teny manakainy ny anaty fononteny: ho hita ihany ireo olona nivadi-dela hatramin'izay)...Matokia ianareo ahy. Matoky ireo solombavambahoaka izay miaraka amintsika sy manao araka izay azo atao sy ireo mpitolona miaraka amintsika rehetra aho, matoky an'izy ireo aho.

Ny zavatra tiako horesahina ho henon'ireo vahoaka marobe ireo, ianareo milaza sy mandeha mankany amin'izay hoe négociation : Tsy mila mi-négocier amin'izany hoe tsy mifanaraka amin'ny zavatra takiana vahoaka. (Fa ny zavatra tokony hifanaraka dia hoe) ahoana no ahatongavana  haingana miverina aty Madagasikara ahafahako mitarika sy mampandroso ny firenentsika, miaro ny vahoaka amin'izao fampihorohoroana izao. Tena maha-te-hidera sy mahavaky vava ny olona rehetra erantany ny fitiavan-tanindrazana asehonareo amin'izao fahatongavanareo isan'andro isan'andro izao. Tohizo, tohizo hoy aho aminareo, [tsy heno tsara eto: ireo firenen-drehetra] (...) izay manampy sy manohana antsika hatramin'ny farany mba hiverenan'ny ara-dalàna; ka aza manaiky hosaratsarahina na ravaravan'ny sasany fotsiny fa misy ny mihatsaravelatsihy, misy ny mivadibadika, ary misy dia misy tokoa ireo mila [ranondranony angamba ny saiky holazainy fa niova tampoka ny fitohizanteny] fitiavantena, ireo tia kely ka tsy hijery afa-tsy ny azy ihany.

Henoy tsara ny kabary nataoko ho ren-tany ren-danitra tamin'ny teny anglisy, teny frantsay ary teny malagasy fa mitaky ny hamerenana ny ara-dalàna ny vahoaka malagasy ary mitaky tsy misy hatak'andro ny hamoahana ireo mpiara-mitolona amintsika satria tsy ara-drariny ny hanagadrana azy. Ary mitaky indrindra indrindra ny fahafahana maneho hevitra na oviana na aiza na aiza ny toerana hanaovana izany. Ry vahoaka Malagasy, firenena manana ny maha-izy azy ny firenentsika, manana ny fiandrianany ary indrindra indrindra manana ny Lalampanorenany. Tsy maintsy ataontsika, antsoina izao tontolo izao hanampy antsika hiverenako eto Madagasikara. Minoa ianareo ahy fa tsy adala ireto vahoaka ireto (tapaky ny horaka:)  Amin'izao iresahako mivantana amin'ny vahoaka izao, ho anareo mpanao hoe négociation ireo : tsy ilaina ny ifampiraharahana izay olona tsy hita izay nataony [Aza mankany fa miala maina any] fa aoka izay! lany andro fotsiny. Ahoana ny mbola hanekentsika ny hanohizana ny fifampiraharahana nefa ireo namantsika gadraina, ireo olona samborina, ary indrindra indrindra ny iverenako any mbola sakanan-dry zareo. Inona no tokony ifampiraharahana amin'ireo? Ho hitantsika vahoaka izay azo atao mba hihaonana indray fa minoa ianareo ry vahoaka, matokia ianareo fa tsy maintsy manao izay rehetra azoko atao aty miaraka amin'ny firenen-drehetra aho, ny SADC, ny African Union mba hahatonga antsika hihaona indray mba hametraka amin'ny toerana maha-izy azy an' i Madagasikara. Fa dia faly aho afaka milaza aminareo androany, faly aho afaka mitafa sy midinika aminareo, ary indrindra indrindra faly aho mahita anareo tonga marobe toy izao. Fitiavan-tanindrazana izao ary horaiketin'ny tantara rahatrizay. Koa dia minoa ianareo fa tsy mamela antsika ho irery Andriamanitra fa manampy antsika.

Koa dia mahereza, manàna faharetana fa ho avy i dada. (horaka tsy ifandrenesana tohizan'ny olona hoe : Any amin'i dada ny lakile). Ary amin'izao fotoana izao mbola milaza ihany aho, satria ireo mitarika sy milaza fa hoe manankevitra ny hisian'ny hivoaran'izao fahasahiranana ara-politika eto Madagasikara izao. Raha mbola tsy manampy amin'ny famerenana an'i Madagasikara [ho any amin'ny ara-dalàna angambany tokony ho tohiny] izy ireo dia ho lany andro fotsiny, satria ny anton'ny nahatonga ny olona hivory isan'andro isan'andro eto amin'ny Magro sy amin'ny toeran-kafa dia mitaky ny hiverenako, hamerenana ny ara-dalàna manaraka ny Lalampanorenana, ka ireo olona tsy momba an'izany dia tsy namantsika izany. Ka dia hoy aho aminareo hoe : Fantatra ary miseho ireo olona izay tia tena mitady seza fotsiny ary hita eny ihany koa ireo olona tsy matahotra ary tsy mieritreritra mihitsy ny ain'ny sasany, ny fijalian'ny hafa, fa dia mbola mpitahorina sy rahonana. Alaina ny fananany any an-tokantrano. Atao izay hampijaliana azy amin'ny alalan'ny vady aman-janany na amin'ny alalan'ny tenany. Takiantsika aloha ny amoahana ny praiminisitra miaraka amin'ireo parlemantera, Takiantsika ny ahafahana milaza an-kalalahana ny safidin'ny vahoaka. Takiantsika ny hiverenako haingana sy maika any Madagasikara. Minoa ry vahoaka Malgasy, minoa ahy ianareo fa tsy ho ela ho'aho isika manao izany, ary homba antsika mandrakariva Andriamanitra. Ka dia mametraka ny veloma, Mandra-pihaona indray fa mbola hiresaka aminareo aho amin'ny manaraka indray, fa manaova foana ny hetsika ataonareo  ... Samia ho tahian'Andriamanitra.

Ny nanohizan'ny depiote Yves Aimé Rakotoarisoa (Mémé) azy

Notohizan'i Meme izay tapaka kabary noho ny antson'i filoha ny resaka ary nanao karazana famintinana sy manambara izay tokony hataon'ny delegasiona manaraka indray izy: Eny ary, Mazava izany ny tenenin'ny prezidà izay filoha mpitarika antsika teo fa raha tsy ny fiverenany, ny famoahana ireo namantsika izay nosamborina (dia) tsy misy dinika intsony fa miala an-databatra. Izahay koa dia efa ela no saiky haka izay fanapahan-kevitra hoe hiala ambony latabatra, ka dia izao : ny fifamotoana napetraka taminay talohan'ny nitenenko teo izay notenenin'ny prezidà ho mitohy ny fisamborana sy anona dia izay izany no tenin-dry zareo, ka ny angatahinay koa dia ry zareo nametraka ny hoe tsy azo atao ny mamoaka ivelan'ity efitrano ity ny dinika, ka izay no itenenako amintsika hoe miala eto dia tsy manao tatitra mihitsy fa dia hanatanteraka ny fitakian'ny vahoaka sy ny hafatry ny filoha Ravalomanana ka araka ny nambara teo dia efa izy tenany no niteny. Ny voalohany izany vao miditra ny efitrano dia efa tenenina ny hoe: Hampiverina an'i dada ve ianareo sa tsy hampiverina? Dia raha mandeha ny adihevitra ka tsy miroso mankany amin'ny tenin'ny filoha teo dia tsy mankeo an-databatra intsony izahay. Iray izay.

Faharoa, dia hoe ahoana ny amin'ireo namanay izay migadra? Satria ny teneninareo teo dia hoe ny aty ivelany no tsy samborina intsony sy tsy kitikitihina fa hoe ahoana ireo efa any? Dia avoaka koa izany ireny fa raha tsy izay, tanterahina araka ny teniny teo ihany satria teo dia nilaza ny prezidà Ravalomanana dia manao marche arriere koa izahay, miala eo ambony latabatra.

Eo anatrehan'izay anefa, araka ny hafatro tamin'ny voalohany... dia miatrika izay amim-pahamalinana isika ary miatrika izany koa amim-pahamendrehana. Tapitra hatreto ny teniny noraisiko.

Fanamarihana avy amiko mpamaham-bolongana

Efa nilaza ihany ny filoha hoe tsy misy ny dinika atao raha tsy efa tonga eto an-toerana ny tenany. Gaga ihany anefa ny tena raha nahita fa mbola nandehanana ihany ilay dinika efa noraràna tsy ho aleha. Namboamboarin'ny depiote Andrianatoandro Raharinaivo moa ny resaka ka nataony hoe: tsy dinika no ataonay fa "dinika savaranonando". Na inona na inona filaza azy efa misy teny hoe dinika ihany ao, ary efa fantatra ihany ny hafetsifetsen'ny sasany sasany ka andrao voafandrika any, araka izay efa nosoratako teto omaly ihany ka mamily ny resaka sahady vao eny ampanombohan-dresaka. Efa nambaran'ny filoha Marc Ravalomanana ny tsy tokony andehanana midinika tamin'ny zoma heriny (15 mey 2009) nefa dia hitantsika moa ny tohiny fa nisy naditra tao.

Ny antony mbola tsy ilàna ny dinika dia noho ireo olona mbola voasambotra noho ny antony politika mazava be. Raha mandeha ny dinika nefa ireny tazonina any dia toa tsy firaharahiana azy ireo izany. Misy amin'izy ireny manko ny tokony hisolo tena amin'izay dinika tokony atao nefa sakanana. Ankoatra izany, mbola misy koa ireo olona voatery miafina noho ny fandrahonan'ny miaramila azy ireo, nefa mety misy tokony hisolo tena ny mpanaja ny ara-dalàna amin'izay dinika tokony atao koa izany. Misy izany ireo tokony hisolo tena no alombona ankolaka ny vavany. Tsy mampitombina loatra ny fifampidinihana izany.

Notenenin'ny filoha mazava tsara tamin'ity sabotsy 23 mey ity, na dia somary takon'ny horaky ny olona aza ka izay no amerenako azy an-tsoratra, fa tsy mila mankany amin'ny fifampidinihina mihitsy ny solontena. Izany hoe tsy ilaina akory ny miditra ny efitrano hanaovana ny fifampidinihana ka mangataka fepetra na manontany ireo hafa ao amin'io efitrano io fa miandry am-pilaminana miaraka amin'ny mpanao fihetsiketsehana ny mpitari-tolona sy ny solontena rehetra tokony ho any. Koa miangavy re! ampitampitao any amin'ny rehetra any ny hafatry ny filoha, ry mpanohana ny ara-dalàna. Aoka tsy hanatrika izany fifampidinihana izany mihitsy ianareo fa maro ny tokony ho solontenantsika amin'izay mety ho dinika no mbola tsy tafiditra eto Madagasikara, mbola notazonina any am-ponja, ary mbola miafina noho ny fandrahonana isamborana azy. Nandray ny andraikitro aho tsy hanimba ny tolontsika mpandala ny ara-dalàna ka izay manana fifandraisana amin'ireo solontena amin'izao fotoana izao aoka hampita aminy izao hafatra izao ary hihaino tsara ny antson'ny filoha Ravalomanana.

Efa hita ihany koa fa nanome baiko ny solontenany ny filoha Ratsiraka tsy hanatrika intsony ny dinika tokony hitohy amin'ny alatsinainy ka ny antsika indray ve no mitady hadi-doha amin'izay resaka mety tsy ho vanona sahady... dinika mandany andro hoy ny filoha izay eo ambony eo?

Araka ny hitantsika any amin'ny forum any dia miala any koa ny karazana fanimbana ny tolona tsy hisy intsony. Velombelomina fatratra ny teny hoe "rehefa tsy avotsotra ny gadra" dia amboarina amin'ny fanaovana azy ny "Savonnérie tropicale". Tena famadihana ny tolona sy familiana lalana azy tanteraka izany fidirana amin'ny faimban-javatra izany. Fandrika mivelatra ataon'ireo tsy mataho-tody sy te-hamadika ny tolon'ny mpanaja ny ara-dalàna izany.

Aoka koa hodradradradraina eny amin'ny Auditorium Ankorondrano amin'ny alatsinainy 25 mey 2009 fa tsy mila manimba zavatra izany isika, koa raha misy, na iza na iza manao izany fanimban-javatra sy fandoroana trano izany, tsy avy amintsika ireny ka raha misy ny manao izany dia sambory fa tsy ny avy eto amin'ny Auditorium mihitsy no manao izany. Tetika fanimbana ny tolona izany. Io karazana herisetra io no nampihemotra ny maro tamin'ny mpankasitraka ny TGV izay nihemotra. Koa aza fady : Melohy avy hatrany ireo rehetra mitady hanao izany fikasana mamoafady izany. Tsy amin'ny fanaovan-dratsy velively no hamaliana ny mpanao ratsy fa mampietry anao ho mpanao ratsy izany. Tsy azo entina amin'ny fo velively ny tolona fa ireny fandoroana tamin'ny 26 janoary 2009 ireny dia tetika efa maty paika hatrany amin'ny miaramila, fampielezam-peo maro, mpamonjy voina (afo), izany hoe tamim-pisainana fa tsy noho ny fo rano mandroatra velively. Adala ianao raha resy lahatra amin'izany fandoroana izany.

Ny fanentanana mivily lalana tahaka izao indrindra no nahapotika ny MDRM tamin'ny 1947, ny olona hafa araka ny fiheviny no manangana ady tsy ampy fitaovam-piadiana hamelezana ny fahavalo (Jiny) dia ny mpikambana tsotra amin'ny MDRM tsy nanao na inona na inona no nogadraina sy novonoina ary nampangaina ho izatsy sy izary. Efa mihamanatona indray ve ny fandresena vao hanao hadalàna e!

nampiana tamin'ny alahady 24 mey 2009



jentilisa, 23 mey 2009 amin'ny 23: 16
 

Ato Amin'ny Ambasadin'ny Madagasikara eto Paris aho, hoy Rinah Rakotomanga sy vaovao hafa

2009-05-22 @ 19:51 in Politika

Ho fanombohana dia indro ny kabarin'ny mpanao gazety Evariste nandritra ny fihetsiketsehana teny Ankorondrano ny zoma 22 mey 2009 : Miarahaba ny mpiara-mitolona teto amin'ny Magro. Efa elaela tsy nifandrenesana, 17 andro izay. Miarahaba daholo e! Mbola ao tsara daholo an? Voalohanteny dia mamerina ny fisaorana an'Andriamanitra Ray Tsitoha, izay mandahatra ny fandaharana rehetra nahatonga izao zavatra rehetra izao sy ny fahafahana, izay tsy azo adinoina mihitsy satria izay no tena anton'ny fahafahana. Faharoa manaraka izany, dia misaotra indrindra indrindra antsika mpiara-mitolona, izay araka ny tatitra, izay heno ihany ny akony na dia sarotsarotra aza ny fifandraisana. Avy amin'ny vavaka nataontsika iray manontolo no nahatonga ny fahafahanay tahaka izao. Fahatelo, dia misaotra ny fianakaviana tsy nitandro hasasarana tamin'ny fanampiana, fanateran-kanina nanomezana hery tany amin'ny toerana misy anay tany.

Fahaefatra dia tsy hay ihany koa ny tsy hisaotra ny namana mpanao gazety maro be izay nanohana hatramin'ny farany, ary henonay foana. Tsy mbola nisy fihetsehan'ny mpanao gazety tahaka izany araka ny fahatsiarovanay nanaovanay ity asa ity. Ka dia tohizo ry zalahy a! aza matahotra miteny ny marina izany, fa na dia tsy mahitsy ary ny filazana azy, misy fomba hafa azo hitenenana ny marina izany foana. Ary mahatonga ny asantsika ho kanto ny filazana ny marina somary misy ohabolana sy ny hainteny sy ny karazany izany fa aza kivy mihitsy e! Ny marina tsy maty izany, fa fisaka io saro-tadiavina.
 
Dia misaotra ireo izay nandefa anay tany amin'ny fonja ihany koa. Soa mba nisy mpanao gazety niaina tany hitantara ny zavamisy marina fa misaotra azy. Hisy ny fotoana ahafahana mitantara ny zavatra fa misy fotoanany daholo ny zavatra rehetra. Asaivo ampitaina amin'ny tompon'andraikitra fa izahay vonona hatramin'ny farany ny amin'ny fitenenana tahaka izao. Tsy mitsoaka amin'izany isika fa isika milaza ny marina hatrany. Dia ity misy anankiray satria any amin'ny toerana itazonana anay tsy mahazo miresaka politika any, fa izahay mianakavy dia ireo solombavambahoaka, sy ireo mpiambina ny HCC (sy ny karazany ireny) dia afaka miresaka tsara izahay. Rehefa miresaka izahay dia miresaka zavatra hafa fa ny politika tsy azo resahina. Dia miara-mihira izahay, miara-mitendritendry gitara, miara-manala azy araka izany. Fa mbola angatahina amintsika ny mivavaka ho azy ireo fa izay no tena zavadehibe indrindra. Dia mba nisy ihany anankiray nampita ny resaka fa ny hany tenenina fotsiny dia hoe mahereza daholo. Izay ihany no hafatra nampitaina avy amin'ireo namantsika ireo. Salama tsara daholo izy ireo na misy anankiroa aza somary mba voan'ny isery kely ihany fa dia mifanohana tanteraka izy ireo ny any amin'izany toerana izany fa aza matahotra isika, fa tohizana hatrany ny tolona o! Mahereza daholo.

Fampitandreman'i Alain Andriamiseza sy Zafilahy

Tao amin'ny kabary nifandimbiasana ihany koa no nitenenan'Atoa Alain Andriamiseza tamin'ny mpitondra tao amin'ny FAT hoe : "raha toa ka tsy mivoaka mandrapahatongan'ny alatsinainy ireo namantsika migadra dia tsy maintsy mandray andraikitra izahay,(horaka) tsy maintsy handray andraikitra izahay manomboka amin'ny Talata rehefa tsy misy ny resaka mikasika an'izy ireo any amin'izay fifampidinihana izay atao any. Mbola manam-potoana isika roa andro hieritreretan'ny ao amin'ny HAT amin'izay zavatra tokony azo atao. Mangataka aminareo aho fahazoan-dalana manao izany. Izahay ao amin'ny Alliance democratique dia mamerina fa mandrapahatongan'ny alatsinainy, tsy misy ny zavatra mikasika azy ireo dia tsy maintsy handray andraikitra izahay Alliance democratique".

Namerina ihany koa ny depiote  Zafilahy ho fampitandremana ny mpiara-mitolona kosa indray fa: "Aoka isika ho malina, aoka isika hitandrina tompokolahy sy tompokovavy, fa efa kely sisa dia hahomby ity tolona ity. Fa inona moa no takiantsika eto, dia ny fiverenan'i dada, fa raha tsy mitaky an'izay (isika) efa lasa nifindra tany amin'ny TGV. Fa matoa mbola eto isika mianakavy dia mitaky ny fiverenan'i dada tompokolahy sy tompokovavy. Ary izao no zavamisy, matoa isika mitaky an'i dada hiverina aty dia noho ny fitiavatsika azy. Noho ny asa soa (fampandrosoana) vitany ho an'ny tanindrazana. Dikan'izay matoky an'i dada isika mianakavy." Dia nametraka moa izy fa raha matoky an'i dada dia tokony hatoky ny olona izay notendreny any amin'ny dinika "savaranonando", ary ireo solontena ireo indray no mitatitra isan-kariva ny resaka fifampidinihana any amin'i filoha Marc Ravalomanana.

Niantso tao amin'ny matv Rtoa Rinah Rakotomanga

Ny vaovao hafa ankoatra izay, niantso tao amin'ny matv Rtoa Rinah Rakotomanga nilaza fa tsy voaroaka tao amin'ny ambasadin'i Madagasikara any Paris araka izay hita ao amin'ny aterineto izany ny tenany fa tafiditra soa aman-tsara ao amin'ny ambasady. Ny antony tsy nisokafan'ny Ambasady, araka ny filazany, tamin'ny alarobia teo dia noho ny fanamboarana ny vavahadin'ny ambasady fa tsy nisy izany fitokonana nataon'ny mpiasan'ny ambasady izany. Nilaza moa izy fa ao amin'ny ambasady mihitsy no miantso, ary handeha hody izy izao, mbola misy, araka ny nolazainy ny fifampidinihana amin'ny Gtt (miisa 25 eo ho eo) ao amin'ny birao ao ambony ao... fa efa mandeha ihany koa ny fikarakarana ny états généraux amin'izao fotoana izao. Dia anjaranareo any Paris indray no mamaly na manitsy izany tenin-dRtoa Rinah Rakotomanga izany raha misy ny madilana tokony hotentenina.

Ary farany androany kosa indray, hiverina kely amin'ny tolona aho: Ity Zoma 22 mey ity araka ny fijeriko azy no betsaka indrindra ny olona nanatrika ny fihetsiketsehana teny amin'ny Auditorium (tsy miresaka ny eny Ambohijatovo aho) raha ny sary no jerena, (tsy tany aho amin'izany fotoana izany fa ny sabotsy no mieritreritra ny ho any). Ny nanaovana tampoka ny andro ho andro tsy iasana ka nanararaotan'izay niasa no mety ho anton'izany fahamaroan'olona io andron'ny zoma io. Rehefa tsy hiasa ihany, hoy angamba ny olona, dia aleo mba mandeha eny Ankorondrano. manaraka izany ihany koa dia tsyfantatrona fanapahan-kevitr'iza na ahoana fa betsaka tamin'ny fefy fanitso namefena ny Auditorium sy ny magro Ankorondrano no noesorina (na nisy nangalatra) mba hahitan'ny eo ivelany ny hamaroan'ny olona ao anaty fefy. Betsaka tamin'ireo tsy sahy mitsiritsirika tao anatiny tao no gaga avy eo nahita ny hamaroan'ny olona mivory ao rehefa niala amin'izay ny fefy fanitso nanakona taloha. Mety hanome hery ny olona tsy mpankeny Ankorondrano nefa mpankeny Ambohijatovo ny tahaka izany. (Tena gaga mihitsy aho rehefa miresaka aman'olona mpandala ny ara-dalàna fa misy mihitsy ireo tsy mpankeny Ambohijatovo nefa mpankeny Ankorondrano ary misy ihany koa ny mifamadika amin'izany... noho ny halavirantany ve no mahatonga izany?)

Fa naninona no nahazo an'Ambohijatovo tamin'ny zoma sy sabotsy heriny?

Dia eto koa aho no manararaotra ny hevitra niposaka tao anatiko tao, mieritreritra ny antony namelana vetivety ny mpanaraka ny ara-dalàna hivory teo Ambohijatovo tamin'ny faran'ny herinandro lasa iny. Heveriko fa nisy tetika manokana ny namelana vetivety ny mpanohana ny ara-dalàna hanitsaka an'Ambohijatovo, dia ny fampisehoana amin'ny rehetra fa efa navoaka tamin'ny toerana nitazonana azy ilay nantsoin'ny mpiserasera manerantany azy hoe Razily, izay ihany. Angamba fifanarahana teo amin'ny minisitry fiarovana sy ny diplaomaty nankaty Madagasikara hitaratra ny fivoaran'ny raharaha ny hampisehoana an-d Razily ampahibemaso eny Ambohijatovo ho hitan'ny rehetra.

Eto ihany koa na izany aza no ahitana taratra ny fifamatoran'ny mpiserasera manaraka ny toe-draharaha eto madagasikara sy ny mpitolona tsy mahita izany aterineto izany. Ny mpiserasera dia mahalala azy soa amantsara noho ny fanentanana ny hanafahana azy, ary nisy aza ny 'fanangonan-tsonia' ho amin'izany firaisankinam-pitakiana izany. Betsaka ihany anefa ireo nanatrika ny fihetsiketsehana tamin'ny fotoana nandraisany fitenenana voalohany no tsy mahalala azy akory fa gaga manontany hoe "iza io". Vao nahita ny sariny tamin'ny vohikala iray manko aho dia nanontany izay fantatro ho mpankeny hoe inona no nambarany, fa tsy nifantoka angaha ny olona satria tsy fantany ny valeran'ilay olona aty amin'ny serasera dia tsy mahatadidy izay nolazainy. Tsy maintsy nohazavaina ary hoe ilay lehilahy nibaby kitapo menamena nitondra saina iny dia tadidiny fotsiny fa nisy izany olona izany tokoa niteny teny ambony sehatra.

Dia toy izany ihany koa ny tao amin'ny fandaharan'ny Tvm "Tahala" tamin'ny alakamisy alina teo izay niadian'i Alain Andriamiseza sy Ramasy Adolphe hevitra saingy indrisy moa fa efa hifarana ny fandaharana vao nahita aho. Tsy nahita akory aza fa nandre ny adihevitra ka taitra aho, satria namadibadika fantsona teo ny mpijery fahitalavitra tato an-trano. Tsy misy na inona na inona azoko nampitaina io fandaharana io noho izany. Tonga tao an-tsaiko tampoka avy hatrany fa fihatsarambelatsihy ataon'ny Tetezamita ankehitriny fotsiny ny fandaharana ataony fakana naoty, satria manko mandalo eto ny solontena vahiny maro mitady fifandaminana sy manao ny fampihavanana, fa raha vao lasa ireo vahiny miserana ireo dia ahiana ho nofinofy indray izany mpanohitra tafiditra amin'ireny sehatra ireny. Ny mahavariana, nefa tsy mampaninona satria fanararaotra ny zaatra rehetra, dia toa manaiky hofandrihina amin'ny zavatra tahaka ireny ny mpitarika ny mpomba ny ara-dalàna. Izany hoe ilaina ny antoka an-taratasy raha azo atao, na fanambarana ampahibemaso fa omena sehatra hatrany ny mpanohitra, dia ren'ny besinimaro ny fanambarana na an-tanana ny taratasy fiantohana fa malalaka ny fitenenana vao miditra amin'ny sahala amin'ireny. Manjary revo amin'ny vonjy tavanandro sy ny miserana hatrany manko isika raha tsy mba mandray fepetra matotra araka ny eritreritro.



jentilisa, zoma 22 mey 2009 amin'ny 21:52

Ny vaovao n'ny alarobia 20 mey 2009

2009-05-20 @ 21:31 in Politika

Nisy fiovana kely ny fandaharan'ny radio fahazavana eto Antananarivo. Iray amin'izany ny nanjary nametrahana vaovao tselatra isan'ora ao amin'ity radio ity amin'ny maraina sy ny atoandro. Ny fiovana faharoa : Voatery naroso atsasak'adiny mialoha hatrany ny antso sy filazana ary fampandrenesana ao amin'ity fampielezam-peo ity. Mihabetsaka tahaka izany ihany koa ny dokambarotra azony. Nahoana no nihabetsaka ireny karazana fampilazana ireny? Mieritreritreritra ny mpandefa ireny fampilazana ireny fa mihabetsaka ny mpihaino ity radio ity. Mazava loatra moa fa ny filazana avy amin'ny fiangonana no maro an'isa aloha! Ny hira ao anefa dia niverina ho hira evanjelika avokoa, ka na hiran'ny mpihira tsotra aza dia hiram-bavaka no mandeha... androm-pisaonana sa androm-pifohazana?

Eo ihany koa ny antony hafa fa ny radio fahazavana irery no fampielezam-peo mandefa ny ampahany betsaka  ny vaovaon'ny hetsika ataon'ny mpanohana ny ara-dalàna eny amin'ny Auditorium Ankorondrano, sy mahasahy milaza ny vaovao ampitain'ny any ivelany ka mifanohitra amin'izay ambaran'ny mpitondra ao amin'ny FAT, ohatra amin'izany ny filazan'ny PHAT fa "tsy iadian-kevitra ny maha-mpitondra tetezamita ahy", teny mampidi-droa tahaka ny te-hilaza ry zareo hoe manaiky ny fijoroan'ny tetezamita ny tany Lybia, nefa afaka ilazana ihany koa hoe tsy nety niady hevitra amin'ny resaka tetezamita ny filoha Lybiana Kaddhafi. Fa avy eo moa dia nilaza izy fa manaiky ny fijoroany ny filohan'ny Firaisam-be Afrikana ka ho avy amin'izay ny manaraka. Manambara ny vaovaon'ny hetsika ihany ny radio hafa saingy miserana ihany izany, fa tsy misy kosa ny mahasahy milaza ny vaovao mifanohitra amin'izay ambaran'ny FAT ankoatra ny radio fahazavana araka ny nambarako teo. Ny gazety taratra ihany koa no hita mametraka fampisalasalana amin'izay ambaran'ny FAT ka mametraka mazava ny loharanom-baovaony avy any ivelany.

Ny momba an'i Evariste Ramanatsoavina

Eo amin'ny resaka fanaovan-gazety ihany isika dia hitafa kely ny momba an'Atoa Evariste Ramanantsoavina, mpanao gazetin'i Radio Mada izay nosamborina sy nogadraina isika. Ny alarobia 20 mey no nivoaka teo amin'ny fitsarana ambaratonga voalohany etsy Anosy ny didim-pitsarana mikasika ity mpanao gazety ity. Amin'ny fiampangana dimy nanenjehana azy dia afaka noho ny fisalasalana izy amin'ny fanenjehana efatra fa eo amin'ny fiampangana fa nanely vaovao tsy marina izy no voasazy handoa onitra Ar1.000.000. Tsy afa-po amin'io didim-pitsarana io moa ny mpisolovavan'Atoa Evariste Ramanantsoavina ka milaza hampakatra fitsarana ambony. Na izany na tsy izany dia nitondra teny fisaorana an'Andriamanitra nandahatra ny zavatra rehetra, Atoa Evariste, misaotra ny vady aman-janany sy nyfianakaviana niray hina, nisaotra ny vahoaka rehetra, ireo izay nitondra am-bavaka, ary indrindra indrindra ireo namana mpanao gazety izay henony ny akony ary tsy mbola nisy tahaka izany ny fahenoana azy ary maniry ny hitohizan'ny firaisan-kinan'ny mpanao gazety ny lehilahy.

Nanambara ihany koa Atoa Evariste Ramanantsoavina fa hiteny ary mbola hiteny foana, izay no asany ary izay no hamelomany vady aman-janaka : ny asa fanaovan-gazety, izay no asany ary tsy manana fidiram-bola ankoatra izay ary tsy maintsy hiteny foana. Ny fitantarana ny zavamisy ny zavatra rehetra (niainany) dia aleo mba hotantarain'ny mpanao gazety Evariste Ramanantsoavina, mba ho "exclusivité" ho azy satria mpanao gazety izy, afaka manoratra ny zavatra niainany rehetra. Tahatahaka izay ny antso nataony tao amin'ny radio fahazavana.

Resaka mana Tiko Toamasina terena hamokatra

Namaly tsy nanonona anarana ny fanendrikendrehana nataona radio hafa iray ihany koa ny radio fahazavana, na tsy nolazainy aza ny mpanao gazety avy amin'io radio io dia fantampantatry ny mpihaino ihany ny nihavian'ny feo fanendrikendrehana, hosoram-potaka ho manonontonona anarana mpanao gazety indray ny radio fahazavana. Endrikendrika izay tsy henoko mihitsy ihany koa satria tsy miala eo amin'io fantsona io ny fampielezam-peo henoiko. Resaka Mana Tiko no tena niatombohan'ny disadisa raha ny filazan'ny radio fahazavana azy. Nanao fanambarana manko ny  vondrona tiko ka toy izao manaraka izao izany fanambarana izany:

Manoloana ny zava-misy ankehitriny miseho ao amin'ny orinasa ny mana tiko Toamasina izay mpamokatra lafarinina dia manao izao fanambarana izao ny tompon'andraikitra. Tsy misy ny fifanarahana tamin'ny tompon'andraikitra tato amin'ny tiko ny amin'ny fanodinana ny ozinina Mana, izay araka ny lalàna misy dia mbola fananan'ny orinasa tiko tanteraka. Noho izany dia tsy tompon'andraikitra ny ao amin'ny tiko ny amin'ny zavatra rehetra mety hitranga amin'ny fampihodinana an-keriny ny ozinina. Melohina tanteraka ny fandrobana sy ny fanimbana ny orinasa tiko mana, ka hoenjehinay araka ny lalàna velona ireo mpanome sy mpanatanteraka izany. Avy amin'nympitantana ny vondrona tiko. Androany alarobia 20 mey 2009.

Nanambara ihany koa ny ao amin'ny radio fahazavana fa fantatry ry zareo ny angom-baovao rehetra natao fa mitentina hatrany amin'ny Ar50
000 no amoahana sy ivarotana ny iray gony omena ny trésor. Rehefa tonga any amin'ny mpanjifa anefa izany dia amidin'ny FAT hatrany amin'ny Ar76 000 ny iray gony, izanyhoe tsy mitovy ny fanambarana atao. Fangalarana sy fakana vola mihoampampana izany satria mahatratra Ar26 000 isaky ny gony no alaina. Tsy azo atoka ihany koa anefa etsy andanin'izany ny kalitaon'ny vokatra mivoaka avy eo fa mety hiteraka olana ara-pahasalamana toy izay nitranga tamin'ny menaka tsy voadio ara-dalàna herinandro maromaro lasa izay ny vokatra mivoaka avy ao.

Ny vaovaon'ny tolona eny Ankorondrano

Hiditra amin'ny vaovaon'ny tolona indray isika. Voalohany amin'izany dia hanao fotoam-pivavahana lehibe any amin'ny Auditorium Ankorondrano ny mpanao fihetsiketsehana ny andron'ny alakamisy 21 mey 2009 fahatsiarovana ny andro niakarana, ny andron'ny Zoma 22 mey 2009 kosa dia manentana ny vehivavy mpandala ny ara-dalàna ny mpitarika ao amin'izy ireo hanokana ity andro ity ho andro fifadian-kanina ka ny olona raisina ho ohatra amin'izany dia i Estera vehivavy voasoratra ao amin'ny Testamenta Voalohany hiresaka amin'ny Emperora (Ahasoerosy).

Andro vitsivitsy izay dia manahirana ny firesak'i Satrobory miomana hirotsaka hofidiana ho Ben'ny tanànan'Antananarivo. Tamin'ny voalohany dia nataon'ny mpanatrika ho fihomehezana ankolaka ny firesak'ity mpitari-tolona iray ity, nefa raha mitohy elaela izay dia hampihena ny faharisihan'ny mpitolona ihany amin'ny farany. Tsy ho ela ihany koa ny fanesoesoan'ny mpiady hevitra amin'ny tena amin'io kabary mahatsikaiky ataony io ka aleo tenenina mora ihany ny namana. Tahaka izay mahasosotra ahy amin'ny fanandrata-tena matetika ataon'i Tonton Ambroise ihany koa, dia tsara raha samy mampangina izay nofinofy ririnina amin'izay fikasana hirotsaka amin'ny fotoam-pifidinana any anatiny any izay rehetra mitari-tolona fa manimba ny tolona ny filazalazana ny izaho ho izatsy na izaho ho izary. Endrika fanasaritahana sy familiviliana ny tolona avy hatrany manko ireny amiko. Eny, mety ho izay no antony mampazoto azy ireo hanao ny tolona nefa na dia izany aza!

Aorian'iny volana imaso tsy mba kilema iny dia ireto kosa ny vaovao hafa manaraka: Milaza ny solontenan'ny MFM Analamanga fa na mamela na tsy mamela ny mpitolona eo Ambohijatovo ny FAT dia izy hatrany no voa. Mamela izy dia hitan'ny izao tontolo izao ireo mpitaky ny hamerenana ny ara-dalàna sy mandà fanonganam-panjakana. Tsy mamela ny hankanesana eo Ambohijatovo izy dia asehony amin'izao tontolo izao fa tsy manaja ny demaokrasia akory ny olona milaza fa demaokraty. Fa ny kianjan'ny demaokrasia avy tsy hamelany ny olona haneho ny heviny. Manaraka izany, raha milaza ny FAT fa tsy miresaka politika fa fampandrosoana, tsy ny famerenana ny gasy ho voazanaka na hilahatra vary sy menaka no fampandrosoana.

Ny vaovao hafa dia mbola mitady hisisika ny amin'ny tsy hamelana ny filoha Ravalomanana hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena ihany ny solontenan'ny Firenena Mikambana eto Madagasikara. Efa nifanome toromarika ny amin'ny hialana amin'izany dinika izany moa ny mpiara-mitolona fa lasa namonjy kosa indray ny teny amin'ny HotelPanorama izay karakarain'ny fiaraha-monim-pirenena Malagasy, izany hoe fifanarahana eo amin'ny samy Malagasy. Mitady olona maro hifampidinika ao izy fa ny ao amin'ny HAT sy ny tariky ny filoha Ravalomanana ihany no mifampiresaka. Mbola nametraka ny fepetra famotsorana ireo nosamborina sy fiantohana ny fitandroana ny ain'ny filoha Ravalomanana ny mpanohana ny ara-dalàna hampizotra ny fifanarahana. Farany, mitady adihevitra mivantana ao amin'ny televizionam-panjakana samy mitondra ny atontan-taratasiny sy ny porofony ny roa tonta ny amin'ny maha-ara-dalàna ny fitondrana na ny amin'ny maha-fanonganam-panjakana azy. Anjaran'ny olona ny mandray izay tokony horaisiny sy mitsara. Dia aseho avokoa ny vaovao rehetra mitranga na aiza na aiza.



Jentilisa, alarobia 20 mey 2009 amin'ny 23:32

Tsy manao fifanarahana raha tsy miverina aloha i dada !

2009-05-15 @ 21:33 in Politika

Tampoka tamin'ny olona ihany ny namindrana ny toerana ihetsiketsehana ho eny amin'ny kianjan'Ambohijatovo indray tamin'ity andron'ny zoma 15 mey 2009 ity. Vao tsy ela akory no nandavana tsy hamelana ny vahoaka mpandala ny ara-dalàna sy tia filaminana tsy handeha eny dia nahazo alalana tampoka indray ho amin'ity herinandro ity, ary misy ny manoratra any ho any hoe isaky ny Asabotsy no nahazoana izany alalana izany. Nefa hitantsika fa dia efa natomboka zoma izany fihetsiketsehana izany.

Azo tarafina fa vitsy ireo nanatrika teny Ambohijatovo tamin'ity andron'ny Zoma ity. Ny vitsy lazaiko eto dia lasa mifanahantsahana tamin'ny isan'ny olona tamin'ny Asabotsy 21 marsa 2009 nanaovan'ny mpandala ny ara-dalàna fihetsiketseha-mpanoherana voalohany indrindra (eo ho eo amin'ny 2500 ka hatramin'ny 3000 eo ho eo ny isan'ny tonga nanatrika teny). Ny maro tamin'ireo tonga teny Ambohijatovo moa dia vao ora vitsy monja no nahalalany fa nifindra teny indray ny tolona. Azo heverina ihany koa fa tsy maintsy nisy ny mbola nitonatonana teny Ankorondrano. Noho ny tsy fisian'ny fitaovam-piseraserana iray lehibe ho an'ny tolona no mahatonga izany tsy fahalalan'ny maro izany. Hita ihany ny fahabangana amin'ny tsy fananana haino aman-jery mpanentana toy ny tamin'ny fotoana nisian'ny Radio Mada. Teny indray miserana tamin'ny radio fahazavana sy indray miserana tamin'ny Matv no nahafantarana fa eny Ambohijatovo indray no fotoana ny Zoma sy ny Asabotsy. Koa raha varimbariana ny mpihaino sy ny mpanaraka tamin'ny fotoana nilazana io fotoana io dia tsy hahatandrina ilay filazna miserana naharitra 3 segondra monja.

Fa inona sy inona avy moa ny sombim-baovao nampitaina teny nialoha ny tena fotoana? Tamin'ny ankapobeny isaky ny misy ny filazana miserana teny an-tsehatra toy ireny dia tsy nino ny fahamarinany loatra aho ka izay no antony tsy hanoratako azy an-tserasera mihitsy. Hita ihany anefa fa saiky nitombina avokoa ireo vaovao an-tsefatsefany nampitaina. Efa lasa tsy nipoitra teny an-tsehatra intsony ohatra i Vola Dieudonné fa efa notadiavin'ny miaramila tany an-tranony ka rehefa tsy hitany tao dia ny zanany no noraofin-dry zalahy ho eny Ambohibao CNME. Nampitaina tamin'ny andron'ny 13 mey iny ihany koa ny fisamborana olona ahiahiana ho mitady hitarika fihetsiketsehana (TIM sy MFM) tany amin'iny faritra Amoron'i Mania iny (Ambositra). Ninia aho tsy nilaza izany, vaovao an-gazety Taratra i andron'ny Zoma io no nahitana amin'izay fa nisy tokoa ny fisamborana ary nalefan-dry zalahy aty Antananarivo ny fanadihadiana ireo olona ireo na dia manana Fitsarana Ambaratonga voalohany aza ny any Ambositra. Tsy nilaza ny fisian'ny vaovao ny gazety raha tsy noho io famindrana toerana ny olona nosamborina io.

Dia inona sy inona izany no nampitaina ny andron'ny Zoma? Ny faritra Alaotra Mangoro sy Betsiboka indray no nampita tamin'ity andro ity. Ny tany amin'ny faritr'i Betsiboka moa dia ny fitetezana mpanankarena ataona andia-miaramila miampanga izay tsidihany hatrany fa manafina vola amina gony hanohanana ny mpitolona eny Ambohijatovo na eny amin'ny Magro (Auditorium) Ankorondrano. Fomba entina misava trano hatrany io toe-javatra io na dia tsy misy aza ny fahazoan-dalana hisava ny trano ary fomba ihany koa hakana vola amin'ireo trano tsidihin-dry zalahy. Rehefa amin'ny fotoana tahaka itony moa dia tsy fantatra intsony izay mpanararaotra sy tena izy. Ny depiote tany amin'iny faritra iny no nitatitra izany vaovao izany.

Tany amin'ny faritra Alaotra Mangoro indray, efa fantatra ny nakana ny fiara vitsivitsy tao amin'ny orinasa mpanangom-bokatra Fanampy Rice. Notaterina indray fa tamin'ity andron'ny Zoma ity dia nisy miaramila nandeha tamin'ny fiara 4X4 efatra indray niverina nitodi-doha nankany amin'ity orinasa ity. Notoherin'ny zandary sy ny fokonolona ny fiavian'ireto miaramila ireto ka nampisy fifampitifirana tamin'ny miaramila sy ny zandary. Voatery nihemotra ny miaramila noho ny fifanandrinana. Ankevitry ny handoro ny orinasa ry zalahy ireto satria nitondra lasantsy tamina bidons maromaro araka ny tatitra. Ny depioten'Amparafaravola indray no nilaza ity sombim-baovao ity. Nanoratra ireo vaovao ireo aho satria nokabariana ampahibemaso ny filazana azy nefa tsy mamoaka ny vaovao milaza ny fihoaram-pahefana ataon'ny mpitandro ny filaminana intsony ny haino aman-jery ary ny gazety.

Inona ihany koa ny vaovaon'ny tolona? Araka ny hitantsika any amin'ny vohikala hafa any dia miezaka tokoa ny fiarahamonim-pirenena mampifanaraka ny hery politika misy eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Namoaka ny karatra mavo ry zareo izay manana ny lohateny manao hoe "Mifanaraha". Amiko manokana dia hevitra tsara io hetsika ataon-dry zareo hisian'ny fifanarahana io. Ny zavamisy anefa dia misy ny olona voasakana tsy hanatrika izay mety ho fampifanarahana ny rehetra izay ka itakian'ny mpandala ny ara-dalàna ny hamotsorana ireo nalaina an-keriny noho ny hevitra politika rehetra. Nifandrindra tamin'izany ihany koa antso nataon'ny filoha Ravalomanana avy any Afrika Atsimo. Mitsahatra ny fifanatonana sy ny fifanarahana rehetra mandra-pahatongany satria izy no hitarika ny delegasiona ho an'ny mpandala ny ara-dalàna miaraka amin'ny praiminisitra tendreny Atoa Manandafy Rakotonirina izay araka ny fahazoako azy dia efa afaka mifampiantso amin'ny mpiara-mitolona amin'izao fotoana izao. Anjaran'ny hery politika hafa rehetra noho izany ny mieritreritra izay avaly ny soso-kevitry ny mpandala ny ara-dalàna.


jentilisa, zoma 15 mey 2009 amin'ny 23:32

Ny paikan'ny frantsay hametraka filoha Malagasy tiany hitondra!

2009-05-13 @ 22:31 in Politika

Tsy maintsy hiresaka ny filazana ny tsy hirotsahan'i Andry Rajoelina hofidiana ho filoham-pirenena ihany ny tena na dia tsy tiako loatra aza izany. Raha miresaka Frantsay aho eto dia ny mpitondra fanjakana sy izay "nanoro" hevitra (nanery ankolaka) an'ity PHAT ity no ambarako etoana. Fantatsika mazava tsara fa mitady mafy dia mafy ny fankatoavan'ny vondrona iraisam-pirenena ny mpanongam-panjakana amin'izao fotoana izao ary miara-miketrika aminy amin'izany fitadiavana fankatoavana izany ihany koa ny Frantsay. Hitany ny lalana ny andron'ny alarobia 13 mey 2009. Dia nanambara ary ny PHAT tamin'ny alarobia 13 mey fa tsy hirotsaka hofidiana izy amin'ny fifidianana ho avy raha tsy misy mirotsaka izay rehetra efa filoham-pirenena sy efa nanao ny asan'ny filoham-pirenena rehetra teo aloha. Tsara anie ry zareo izany hevitra izany e!

Dia efa miandry fotsiny aho izany fa hihazakazaka hankasitraka izany fanapahan-kevitra izany ny Frantsay, ary mety hanara-dia azy ihany koa ny Amerikana (sahiko ny milaza fa tsy nankasitraka velively ny nataon-dRavalomanana faramparany teo mihitsy ny Amerikana noho ny resaka Daewoo ohatra satria mpividy katsaka amin'ny Amerikana manko ny Koreana ka very mpanjifa izy, nisy tsy nety mihitsy koa ny nataon-dRavalomanana nanao izay nialan'ny Amerikana tamin'ny Kobama). Raha vao ireo roa ireo no manaiky ampahibemaso dia izay no izy: azon'ny fitondran'ny mpanongam-panjakana indray ny fandresena hafa. Mody tsy hiraharaha izay fiovan-kevitra hafa manaraka intsony ny vondrona iraisam-pirenena fa efa niara-niasa ary koa.

Jereo tsara fa nisy fepetra nipetraka teo, ny mazava dia ny filoha Ravalomanana no tena kendrena izay tsy hahafahany mirotsaka mihitsy. Matoa manko ataon'ny FAT izay hanaratsiana io rangahy nitondra ny firenena farany io dia fantany mazava fa mbola matanjaka dia matanjaka ny heriny raha misy fifidianana ho avy eo. Nialoha ity fanambarana nataon'ny PHAT ity manko dia efa nisy ihany ny sosokevitra natolotry ny sasany amin'izay tsy hirotsahan'ny efa filoha sy nanao ny asan'ny filoha rehetra intsony. Eto aho dia mahatsiaro ny tany Algérie: Nahery dia nahery ny FIS tamin'ny androny, nahatsiaro ho very tombotsoa ny Frantsay ka dia naleony niditra tamin'ny fanonganam-panjakana notarihina miaramila. Ankehitriny, na dia efa taona maro lasa aza no nisian'iny raharaha tany Algérie iny dia mbola ilay nitarika ny fanonganam-panjakana ihany no lany ho filoham-pirenena amin'izao fotoana izao. Izay ihany sisa no fantatry ny Frantsay ary izay ihany koa no mba fantatry ny iraisam-pirenena. Ny miaraka amin'ny TGV aloha no tombotsoany ka dia ataony mandrakariva izay haneken'ny iraisam-pirenena azy.

Etsy ankilan'izany toe-javatra izany anefa dia miverina amin'ny toe-draharaha mpitranga eto amin'ny firenena ihany ny zava-misy amin'izao fotoana izao. Tsy sanatria fitia te-hiresaka foko fa izay manko no ilalaovan'ny Frantsay azy ka aleo resahina araka izay ihany koa tsy handiso ny eritreritra. Tsiranana Tanindrana no filoham-pirenena malagasy voalohany ka "nanome" ny fahefana manontolo "vonjimaika" tamin'ny Jeneraly Ramanantsoa izay Merina noho ny raharaha 13 mey 1972 hanao karazana tetezamita. Rehefa nilamindamina ny toe-draharaha dia notakian'ny Filoha amin'izay ny fahefany saingy tsy nomen'ny Jeneraly intsony ilay izy. Nampanao fitsapa-kevi-bahoaka ny Jeneraly tamin'ny volana oktobra 1972 hitondra ao anatin'ny dimy taona ny tetezamita hanamboarana ny rafitra. Izany hoe tokony hitsahatra ny taona 1977 io tetezamita io raha ny fitsapa-kevi-bahoaka natao no itarafana azy.

Misy anefa ny manampahaizana tsy Merina tsy mankasitraka velively izany fitondran'ny Merina ny firenena izany, satria mbola masaka tany an-tsaina ny tsianjery fa fitadiavana hamerina ny Fanjakan'Andriana ihany no tena katsahin'ny Merina. Nisahotakotaka ny tanàna sasany amin'ny fampielezana fa Malgachisation = Merinisation satria manko io fanagasiana io no anisan'ny lohahevitra notakian'ny mpitolona tamin'ny 1972 saingy nydikany tamin'izany fotoana izany dia hoe atao mifanaraka amin'ny zavamisy eto Madagasikara ny fampianarana fa tsy ampifanarahana ny zavamisy any Frantsa. Ezahina ihany koa ny hanoloana tsikelikely ny Frantsay mitana ny toerana ambony ho Malagasy.

HItan'izay nanaraka ny tantara fa tena nihotakotaka ny firenena nandritra ny roa taona. Minisitra zanaka Padesm roa no tena niady fahefana mangina dia ny Kolonely Ratsimandrava sy ny capitaine de corvette niakatra ho capitaine de fregate Didier Ratsiraka. Hitan'ny Frantsay ny lalana. Eo anatrehan'ny olona roa Merina mainty ny iray ary tanindrana ny iray dia fantany mazava ny safidiny... atao amin'izay izay hampitsaharana ity "tetezamita" ity fa tsy avela hahatratra izany dimy taona nifanarahana ho dimy taona izany. Raikitra ny fikomiana nataon'ny FRS lasa GMP tao Antanimora ka anisan'ny notakian'izy ireo ny hanendrena Jeneraly Tanindrana fa toa Merina daholo ny Jeneraly hita hatramin'izay.

Mafy dia mafy tamin'ny Jeneraly Ramanantsoa angaha ny vesatra nahazo azy koa dia nisafidy izay handimby azy izy. Any amin'ny "tsy izy" ilay safidiny nefa dia noraisin'ny nomena azy ihany ny fahefana. Enina andro araka ny fantatra ihany no nandraisany ilay fahefana dia nisy namono ilay mpitondra. Ny sary hitako tamin'ny gazety hehy nivoaka tamin'izany fotoana izany no nampiaiky ahy fa tsara kendry avokoa ireo zandary mpiambina sy ny filoha notendrena ka sarotra ny hieritreritra fa bala lasalasa ho azy (tifitra variraraka) no nahavoa azy ireo. Nitsangana ny "directoire militaire" notarihin'ny Jeneraly Andriamahazo saingy noho ny fifanerena tao anatiny tao isian'ny fifidianana eo amin'izy samy izy izay tokony hitondra ny Firenena dia lasan-dRatsiraka ny fandresena tamin'ny 15 jona 1975. Natao ny fifidianana sady fitsapa-kevi-bahoaka tamin'ny 30 desambra 1975 ka lany ny eny sady mitondra Ratsiraka no ekena ny Lalampanorenana vaovao.

Dia ataoko fa haintsika ny tohin'ny tantara tamin'ny 1991 naha-praimisitra nitantana vonjimaika ny tetezamita an-d Razanamasy Guy Willy sy nahalany ho filoham-pirenena an'i Zafy Albert, sy ny naha-filoha vonjimaika an-dRatsirahonana sy niverenan-d Ratsiraka Didier indray teo amin'ny fitondrana. Toe-javatra naningana ny tamin'ny 2002 izay tonga dia nitohizan'ny fitondran-d Ravalomanana tsy nisy mpitondra tetezamita hafa saingy miverina indray ankehitriny ilay toe-javatra hitantanan'ilay Merina Andry Rajoelina ny tetezamita ka, raha jerena ny kajikajin'ny Frantsay dia hanolotra ny fitondrana an'i Madagasikara amin'ilay Tanindrana Pierrot Rajaonarivelo. Tsy hatao anefa ny fifidianana  raha tsy efa azo antoka fa handresy izy amin'ny fifidianana, tsy voatery hoe izy  tokoa no ho lanim-bahoaka, fa rehefa tafapetraka soa amantsara fotsiny ny rafitra hahalany azy amin'ny fifidianana. Noho izany, araka ny fijeriko, tsy ho voafetran'ny fotoana mihitsy ity tetezamita letrezana ity fa voarefin'ny hoe oviana no hanaiky tsara izay mpitondra ankasitrahan'ny Frantsay ny Malagasy?

Tena miala tsiny indrindra amin'izay mety ho tohina tamin'ny soratro aho, fa izay mahafantatra sy efa zatra ahy dia mahalala fa miezaka mandrakariva aho ny maka ny foto-pisainan'ny hafa hanoherako ihany koa ny heviny avy eo. Noho io fomba fijeriko zavamisy io ary, dia ho ketraka ve aho. Hanaiky izay terena hofidiako ve aho fa tsy mba manana ny safidiko araka izay tiako mihitsy? Angamba noho izay fahatsapana tao amiko fa toa nesorina tamiko ny fahafahako izay no mahatonga ahy hitolona hamerina ny ara-dalàna hatramin'izao fotoana izao.

Fa nanao ahoana tokoa aloha ny tolona? Mazava loatra fa tsy maintsy nanokana ny andron'ny alarobia 13 mey 2009 aho hankanesana indray eny amin'ny tokotany malalaky ny Auditorium Ankorondrano. Fanintelony nandehanako teny indray io andro io ary mahavariana fa na dia misy aza ny olona mety ho efa fahitako ihany dia mbola mahita endrika vaovao hatrany aho, ny antony ilazako izany manko dia rehefa mahita endrik'olona fantatro aho dia gaga ary mifanontany hoe hay ve ianao mankaty? efa impiry taty ianao? sy ny maro hafa!

Ny nanamarika ny andro androany dia ny fidirana indroa tamin'ny antso am-pinday ny filoha Ravalomanana, ny nidiran'ny mpiandry an-tsehatra sy nandritra ny fotoana somary lavalava kokoa noho ny mahazatra ny fotoam-pivavahana nandroaka ny aizina manarona ny tany sy ny aizim-pito manarona ny firenena, nandroaka ny asam-pamitahana, asam-pangalarana, asam-pandrobana ary ny asam-pamonoana ataon'i Satana ho any andavaky ny Helo. Karazana fanadiovana ara-panahy ny firenena ihany izany asa izany indrindra ilay izy atao mandritra ny andro hahatsiarovana ny tolona natao tamin'ny 13 mey 1972 (nampihomehy valaka ahy ihany ny nahita an'i Pierre Tsiranana eo anilan'i Alain Ramaroson mitondra voninkazo ho fahatsiarovana ny 13 mey 1972 teo anoloan'ny kianja mitondra tsy satry ilay daty manantantara.

Nanamarika ity fotoana ity ihany koa ny fahataran'ny fanombohan'ny fotoana loatra ka mahatonga ny firavana ho amin'ny 3 sy sasany vao migadona. Tsy tokony hatao mitarazoka lava be tahaka izany io fotoana io fa mba reraka ihany ny olona sady be ihany koa anie ny mamonjy fiasana rehefa avy eo... na dia hoe ny vehivavy aza no tena maro an'isa amin'ny mpitolona... Tsy maintsy mba nitady adi-hevitra ny amin'ny mbola mahatafiditra ny senatera Ravatomanga ho ao anatin'ny solontenan'ny mpanaraka ny ara-dalana ihany koa aho satria fantatra ihany fa anaran'olona mitondra ny anarana hoe Ravatomanga (filohan'ny vondrona Sodiat) manko no tompon'izany gazety "La Vérité" gazety tena mpanenjika an-dRavalomanana izany. Olona iray ihany ve ireo? Mpirahalahy ve ireo sa sendra mba anarana mitovy fotsiny? Tena miahiahy tanteraka ny tenako. Ny manahirana ahy ihany koa dia ny tsy firaharahiana velively izay mba zavatra nitadiavako fiaraha-miasa tamin-dry zareo tao amin'ny "Communication". Raha mba vitan-dry zareo ilay fifanampiana amin'ny any ivelany entina hampandresena ny tolona tsy nampaninona ahy ihany fa dia tahaka ny tsy raharahan-dry zareo izay mba karazana fiaraha-miasa kely dia kely notadiaviko ka mbola miteraka ahiahy fanampiny amin-dry zareo ireto ihany koa.



jentilisa, alakamisy 14 mey 2009 amin'ny 00:32

[vita] Hetra: ny fanjakana no ananan'ny tiko vola, sy resaka Manjakamiadana

2009-05-12 @ 09:03 in Politika

Vakio tsara ny lohateny fa tsy misy fahadisoana tsy akory ny voasoratro. Ambara ombieny ombieny manko fa ananan'ny fanjakana vola ny vondrona tiko. Nogiazana ny volan'ny tiko sy ny volan'ny filoha Ravalomanana any amin'ny banky. Natao ny fanadihadiana sy ny asamarika rehetra ary rehefa vita izany rehetra izany dia hita fa efa nihoatra lavitra noho izay nodradradradraina ho notakiana ny vola sy ny vokatra ary fitaovam-pamokarana efa nalaina an-keriny tamin'ny tiko. Vaka tamin'io raharaha io ny tale misahana ny hetra, ary sahirana ihany ny hampita io asamarika io amin'ny minisitry ny vola sy ny tetibola. Koa raha mahasahy ny mpanao gazety dia hadihadio ny amin'io raharaha io. Ny tena manko tsy mpanao gazety ka tsy afaka manadihady lalina.

Efa nambaran'ny gazety isan-karazany ihany fa nodidian'ny fitsarana hovahana ny kaontin'ny vondron'orinasa tiko sy ny kaontin'ny filoha Ravalomanana. Navadiky ny milaza ny tenany ho mpitondra fanjakana amin'izao fotoana izao anefa izany didim-pitsarana ka avoaka isan'andro isan'andro amin'ny gazety fa ny fanjakana ihany no nangataka ny famahana ny kaonty, dia rehefa nivoaka iny didim-pitsarana iny  dia averina indray ny fanagiazana ny kaonty fa hoe manana taratasy mitovy lenta amin'ny didim-pitsarana ny fanjakana. Mba mahalala menatra ihany ve? Midika izany fa manao bodongerona sisa no tena ataony ary mitohy mandrakariva ny sotasota.
--------------------

Amin'izao fotoana izao dia voizina mafy dia mafy ihany koa ny resaka Manjakamiadana sy Ambohimanga ary ny resaka masina mifandraika amin'ireo tranom-bakoka roa ireo. Ao amin'ny fampielezampeo sy ny fahitalavitra sahanin'ny fanjakana mivantana no amerimberenana sy hanaovana matoambaovao isa-maraina sy hariva ity raharaha ity. Amin'ny ankapobeny dia afangaro ihany ny resaka finoana sy ny maha-tranombakoka ireo toerana ireo. Entina ireo resaka ireo hampivonto fo ny mpihaino sy ny mpijery, nefa ny sarambambem-bahoaka ho'aho toa tsy mahalala akory na dia ny ambangovangon'ny tantaran'i Madagasikara aza? Tsy afaka mihambo ho mahalala ny tantaran'i Madagasikara aho saingy izay fantatro kosa tsy maintsy tantaraiko.
-------------------
Haka ohatra iray aho, ny tia mamaky ny boky tantaran'i Madagasikara sy tia mamaky tantara an-tsary malagasy dia tokony hahalala ny fisian'ilay boky tantara an-tsarin'i Madagasikara mitondra ny lohateny hoe "Vato Ambany riana". Efa indroa natonta izy io, samy efa novidiako sy novakiako avokoa na ny voalohany na ny faharoa. Tsy hitako manko ny nalehan'ny boky voalohany novidiako ( henjana ihany koa anie isika Malagasy raha hangalatra boky e!) no nahatery ahy hividy ny boky faharoa. Tadidiko mazava tsara tao amin'io boky io ary ny fisiana famindrana masina (fa tsy famindrana razana  aza fady indrindra). Tamin'ny voalohany dia ny Minisiteran'ny fanolokoloana sy ny zavakanto revolisionera no niantsoroka ny fikarakarana sy ny famoahana io bokin-tantara an-tsary io. Tsy mahagaga raha noezahina hatrany ny hampisaraka ny tantaran'ny firenena sy ny fiangonana na dia nisy aza ny fandraisana anjara mavitrika nosahanin'ny fiangonana teo anivon'ny firenena. Ao amin'ny takelaka faha-15 indrindra ao amin'ny boky "Vato ambany Riana" ary no misy teny fohy momba io resaka famindrana masina io.
------------------
Averina vetivety ny tantara, resy ny tafika malagasy rehefa nanangana ny saina fotsy ny teo Manjakamiadana tamin'ny 30 septambra 1895. Efa voatifitry ny Miaramila frantsay hatreny Ankatso manko ny zoro avaratra atsinanan'i Manjakamiadana ka ahiana ny hirodanan'ny trano. Efa ravan'ny daroka baomba ihany koa i Tsarafahatra toerana nisian'ny fampianarana tao androva tamin'ny andron-dRadama Rainy. Ho fitandroana ny toerana no nananganana saina fotsy. Eo anatrehan'ny toe-draharaha dia resy i Madagasikara. Tsy nanaiky izany kosa ny maro tamin'ny sarambambem-bahoaka indrindra fa ny tany ambanivohitra, teo no teraka ny Menalamba. Fantatry ny olona ihany fa nisy ary maro ny mpamadika matoa resy ny Malagasy. Ny olona noheverina ho nandray ny endrim-pandrosoana tandrefana no tena maro tamin'ireo mpamadika ireo. Tsy mahagaga raha izay nanaraka ny fivavahana kristiana rehetra dia noheverina ho mpamadika avokoa ka notadiavina ny hanilihana azy ireo. Nandritra izany fotoana izany ihany koa no tena nampiroborobo ny fitadiavana hamerenana ny hasin'ny Mpanjaka... nefa miaraka amin'ny tsy fankasitrahana ny praiminisitra nitondra maharitra loatra io. Nohindrahindraina manokana noho izany toe-javatra izany i Andrianampoinimerina. Niditra tamin'ny ady anaty akata araka ny filaza ny maro tamin'ny Malagasy.
------------------

Sahirana noho ny adim-panoherana nataon'ny Menalamba ny fitondrana frantsay ka nifantina olona notsongoin'olom-bolo roa teto amin'ny firenena izy ireo hotifirina teo Antaninarenina tamin'ny 15 oktobra 1896 ka i Rainandriamampandry 16 voninahitra sy ny andriana Ratsimamanga no notifirina ho faty. Nalahelo tokoa ny ankamaroan'ny olona noho ny zava-nisy. Hita fa mbola nanindrahindra ny Mpanjaka hatrany anefa ny mpitolona koa dia noraisin'i Gallieni mihitsy ny fanapahan-kevitra handefa an-tsesitany any ivelan'i Madagasikara an-dRamoma (Ranavalona III) tamin'ny 28 febroary 1897.

Mifandraika amin'izany, dia nodonina tamin'ny finoany koa ny mpitolona. Tanàna masina teo anatrehan'ny mpitolona manko Ambohimanga Rova (sady tadidio fa tsy azon'ny vahiny tsy malagasy idirana na oviana na oviana) satria ao ihany koa no misitrika ny masina rehetra. Inona no natao? Nafindra toerana tany Manjakamiadana avokoa ny masina tao Ambohimanga rehetra. Toerana efa tsara ambin'ny miaramila manko i Manjakamiadana ka tsy azon'ny Malagasy idikidiram-poana. Izany hoe tafasaraka "ara-batana" tamin'ny mpitolona Menalamba ny masina. Hafatr'Andrianampoinimerina fahavelony anefa fa any Ambohimanga ihany izy no asitrika fa tsy any Antananarivo velively, mba tsy hanadinoana ny tanàna nipoirana. Izany hoe Antananarivo no Renivohitra fa mijanona ho tanàna masina kosa i Ambohimanga ary tsy zava-poana ny nametrahana ny masina ao amin'ity tanàna notononina farany ity.
 
Taorian'ireo rehetra ireo, efa lefy tanteraka ny Menalamba ka nikoy i Madagasikara iray manontolo dia novaina ho toby fiofanana miaramila kely toy ny Semipi fantatsika ny rovan'i Manjakamiadana. Mazava loatra fa fitaizana miaramila Frantsay no natao tao. Nisisika ihany koa ny hevitra handrodanana tsikelikely ity toerana reharehan'Antananarivo sy Madagasikara ity. Ny paika nanaovana izany dia ny fambolena hazo manodidina ny lapa. Lava faka manko ireny ary mahagorobaka fototra, dia tsy maintsy ho avy ny fotoana hidona amin'ny fototr'i Manjakamiadana ireny faka ireny ka hanozongozona ny fanorenana sy handrava ny trano mihitsy aza. Tadidio ry mpamaky fa tsy nisy hazo niorina nanodidina io lapa io faha-mpanjaka fa ny mpanjanatany no namboly ny hazo teny handravana io rova io. Mitohy ho azy ny tantara eto!

Tonga ny fiandohan'ny repoblika fahatelo dia nisy ny nanome baiko ny hanalana ireo hazo nanakona an'i Manjakamiadana ireo. Gaga ny ankamaroan'ny olona. Raikitra teny ho eny fa misy fanimbazimbana ny hasina izao fanalana hazo izao. Nanazava ny tompon'andraikitra fa manimba ny trano ireo hazo ireo ka tsy maintsy esorina. Teo vao gaga ny maro, hay ve nisy trangan-javatra tahaka izany! Noheverina nilamina amin'izay ny raharaha fa avotra tamina loza nitatao taminy ny rova, saingy tsy fahalalana ny halalin'ny fankahalan'ny sasany izany fiheverana izany. Tonga ny daty manatantaran'ny 6 novambra 1995, nisy nandoro i Manjakamiadana!

Iniako Averina kely ny sombin'ny nosoratako tamin'ny 6 novambra 2006 izay mety ho tsy mbola hitanao :

"Lasa toby miaramila kely (mpianatra ho miaramila) ny lapan’i Manjakamiadana tamin’izany fotoana izany. Tamin’io fotoana io no nambolena ireo amontana izay lava faka ary mety maharava trano mihitsy nanodidina ny lapan’i Manjakamiadana. Fandrika napetraky ny frantsay handrodanana tsikelikely ny rovan’i Manjakamiadana ireo amontana nambolena ireo. Mariho tsara ny sary rehetra izay hitanao fa talohan’ny 1897 izay nanesorana an-dRanavalomanjaka fahatelo tsy hitondra ny firenena intsony fa nalefa sesintany izy dia tsy nisy hazo velively manodidina io rova io.Trano hazo (lapa manko e !) no teo amin’ny toeran’ireo hazo ireo fa noesorina mazava loatra ny hazo. Ny nanaisotra ireo lapa ireo indray tsy fantatro na efa talohan’ny fanjanahan-tany na tsia. Tamin’io toerana nisy ny hazo ireo manko no nisy ny lapan-dRasalimo vadin-dRadama avy tamin’ny Sakalava sy Rakotobe zanaky Rasalimo tamin-dRadama rainy.
 
Izay fandrika izay no hitan-dRazanamasy Guy Willy ka nanesorany ireo amontana ireo raha vao nitondra an’Antananarivo izy. Efa lasa endriky ny lapa manko ireo amontana ireo rehefa taty aoriana be taty. Izany hoe tamin’ny taona 1913 dia nampirehitra ny olona tamin’izany fotoana izany ny nambolena ireo hazo ireo fa noho ny tsy fahafaha-miteny dia nangina ny rehetra. Raha nanaisotra ny amontana ary ny Ben’ny tanàna tamin’ny taona 1993 tany ho any dia ho fitsinjovana tsy hikororohan’ny fakan’ny amontana ny rova intsony. Kanjo dia fantatsika rehetra fa may nodorana io lapa io tamin’ny 6 novambra 1995. Na misy endrika fanamelohana aza izao soratako izay dia mampita ny hitako fotsiny aho. Tsy mitsara avy hatrany aho hoe iza no nandoro ny rova fa izay saiky nandrava azy tamin’ny fomba tsikelikely no nolazaiko eto."
Tapitra hatreto ilay sombin-dahatsoratra notsongaina.

Na dia nisy aza io fitantarana efa nataoko io; ny noadinoina kosa dia ny fitantarana ny zava-nitranga tamin'io fotoana io. Marihina moa fa may ny marainan'io andron'ny 6 novambra 1995 io ihany koa ny birao tao amin'ny Minisiteran'ny vola sy ny fitantanam-bola. Ny tsara hotadidiana ihany koa fa vao nampidirina tao amin'ny rovan'i Manjakamiadana indrindra ny tahiry sy antontan-kevitra avy tany amin'ny British Museum, ka nampirantiana vetiety tao amin'ny arisivan'ny FJKM teo Faravohitra. Vao nitsidika ny rova indrindra aho tamin'izany fotoana izany, hijery ireo vakoka vao avy any Londres ireo. Tsikaritro fa vao nolokoina vernis mihitsy (maimbo vernis) ny ati-trano manontolo. Ny somary nanaitra ahy tamin'io fotoana io saingy tsy dia noraharahiako loatra dia ny fahitana barika maromaro toa hampidirina anaty trano. May ny Rova ao tonga saina tamin'ny fisian'ireo barika ireo aho.

Izany hoe hatreto ny tiako asongadina indray dia ny filazana fa efa may tanteraka io Rovan'i Manjakamiadana io ka tsy azo tsinontsonoavina izany trangan-javatra izany. Izany hoe: tsy hahatafaverina amin'ny antsipiriany intsony ny lapa izay manorina azy indray taty aoriana. Amiko dia fandaniam-poana ny hamerenana indray ny fananganan-trano amin'ny hazo indray dia tafiana vato izy avy eo. Isika rehetra mahalala fa ny afo no fahavalo voalohany indrindra amin'izany trano hazo izany, koa raha hanorina ihany tsy aleo ve manorina mba haharitra, hoy ny dokambarotra iray izay? Soa ihany aza fa nofonosina vato ilay Lapa manandaza mba hananganana azy amin'ny béton ka avy eo indray vao rakofana hazo. Efa nohazavaina mazava tsara izany toe-javatra izany ary nekeko (izaho manokana) soa aman-tsara ny hevitra. Notsipahiko marindrano kosa raha kasaina haverina amin'ny maha-hazo azy ny fananganana, satria ange efa dindon'ny Lapa sisa no hijoro eo fa tsy ilay tena Lapa intsony!

Raha efa azo tsidihina ny Lapan'Andafiavaratra dia jereo ny zavatra mitranga amina efitrano naverina tsy misy tomika amin'ny endriny teo aloha ilay lapa. Hahatalanjona anao ny fahitana fa efa boboka mampalahelo ny trano ary efa betsaka ny gorodona hazo mihintsakintsana. Firy taona anefa no nanamboarana azy taorian'ny nandoroana azy tamin'ny 1976 ihany koa. Koa raha efa nisy ny fahavoazana mahazo ny trano dia tsara tokoa raha misy ny fitadiavana paika hanamafisan'orina azy. Io toe-javatra hitako tamin'ny lapan'Andafiavaratra io no nitsipahako ny hoe hananganana Lapa hazo indray an'i Manjakamiadana satria hanangana trano ho mora rava ve? Sady efa tsy fantatra mazava tsara rahateo ny tekinikan'ny fanaoan-trano natao tamin'izany fotoana izany. Tsara koa angamba ny mitadidy fa efa natao ho toeram-pitsarana manokana tamin'ny raharaha 1947 ihany koa ny Lapan'Andafiavaratra.

Lasa dradradradraina ho fanimbazimbana ny mahatahirim-bakoka azy manko ny fomba fananganana ny trano amin'izao fotoana izao ka toa tadiavina ny hampitsaharana ny asa. Raha hiresaka fanimbazimbana isika dia tsoriko ny milaza fa efa voazimbazimba hatramin'ny fanjanahantany izay naharitra 65 taona io toerana io. Moa mahafantatra ve ny besinimaro fa misy vavahady roa ny miditra amin'io Lapan'i Manjakamiadana io ka ny vavahady fantatry ny rehetra dia ilay fidirana hatraty avaratra, izay raha ny tena marina dia ny lehilahy mifora ihany no mahazo miditra hatreo? (tadidio tsara fa misy sarina filahiana mifora eo ambonin'ny vavahady anilan'ny sarim-boromahery) fa ny vavahady hatrany Andrefana somary atsimo kosa no fidiran'ny vehivavy sy ny tsy mifora? Koa azo atao ve ny mandinika indray ny hamerenana io fomba io amin'izao fotoana izao? mariho tsara fa efa lasa misy lalan'ny fiara tsy mandalo ireo vavahady roa intsony miditra mankao amin'ny lapa, ka fiara mitatitra ny fitaovana hananganana indray ny lapa no mivezivezy mankao?
 

Mbola tiana iadian-kevitra hatrany ny hoe maninona raha ny fanaka avotra tamin'ny afo ihany no averina ao amin'ny lapa? Aoka hotsorina fa vitsy dia vitsy, antonona efitrano iray mirefy 3mX4m ny fanaka rehetra momba an'i Manjakamiadana avotra ka tehirizina ao amin'ny lapan'Andafiavaratra amin'izao fotoana. Koa araka ny eritreritrao ho inona sy inona avy moa no hamenoana ny trano avy eo? Manaraka izany, fitiavan-kiady hevitra amin'ny tsy misy dikany hatrany izany satria tadidiko tsara, na dia mbola kely aza aho fa nanaovana fampirantiana ny tolona nataon'ny Malagasy sy ny fijaliana nanjo ny mpitolona tia tanindrazana tamin'ny fotoanan'ny fanjanahantany ny tao amin'ny efitra ambony amin'ny Lapan'i Tranovola nefa toa tsy nisy ny nitabataba tamin'izany fotoana izany fa variana ery mijery ny sarisary rehetra tao. Ny nahavariana ahy ihany koa, ny tena nisongadina tamin'ny fanaky ny Lapa naseho tamin'ireny tranombakoka ireny dia toa ny fanomezana avy amin'olona na firenena vahiny ihany! Toa tsy nanintona loatra ny zavatra teny malagasy tao anatiny. Efa nambara tamin'ny fanorenana indray ny Lapa fa hasiana solotohatra mandeha amin'ny herinaratra (ascenseur) io Lapa io. Aleo indray manontany anareo! azo atao amina tranombakoka ve izany sa tsia? Manao ahoana ny any Eoropa sy Amerika avaratra any? Toy izany ihany koa moa ny amin'ny efitra fidiovana! Averiko indray fa tsy hahaverina intsony ilay tena endriny amin'ny antsipiriany amin'ny trano isika.

Tena nandany andro mihitsy aho nanoratra fa tsy fantatra intsony manko izay tena tanjon'ny fitondrana tetezamita: hampitsahatra ny asa ve satria tsy  mifanaraka tamin'ny endriny taloha intsony ny lapa? sa tokony hanao ala-faditra amin'ny fanaovana fombafomba indray ve? Ataovy ny fombafomba raha izay no mahasarotiny anareo fa aza menatra. Tsy haiko intsony manko fa hoe tena voazimbazimba sy voatevateva ny masina ka inona no tian'ny fitondrana hahatongavana? Averina indray eny Manjakamiadana ve ny masina sa aleo hitoetra eny amin'ny tokony itoerany ha tramin'izay eny Ambohimanga ihany?

Dia hamaly resaka indray koa aho ary hametraka izao zavatra manaraka izao. Hitodika eny Andohalo isika, nisy ny fanavaozana io zaridaina io. Ny kianjan'Andohalo dia toerana iray namorian'ny mpanjaka tamin'ny androny ny vahoakany. Misy ny toerana na sehatra nanaovany fikabariana. Ny mpahay tantara no tokony hahafantatra tsara fa araka ny fijeriko dia izay no nisian'ilay dongona lehibe nesorin'ny kaominina Antananarivo renivohitra tamin'ny 2008 iny. Nesorina tsy nasiana famantarana intsony fa nosoina lalankely iny dongona iny? Moa ve tsy finiavana hikosoka ny tantara ihany koa ny nanesorana iny dongona teo Andohalo iny? Anjaran'ny tsirairay ny mieritreritra!



jentilisa, alarobia 13 mey 2009 tamin'ny 1:19 maraina vao vita!


Ny hetsika eny amin'ny Auditorium Ankorondrano Antananarivo

2009-05-08 @ 22:59 in Politika

Araka ny nampitain'ny mpampahalala vaovao izay tsy dia fanarako loatra intsony amin'izao fotoana izao dia notokanana ny zoma 8 avrily 2009 ny tsangambaton'ny 7 febroary 2009, izany hoe zava-nitranga telo volana lasa izay. Misy ny anaran'ireo nodimandry tamin'iny fotoana iny io tsangambato nasiana sarin'olona lavo sy toy ny mitorevaka ary manangatanana manao marika V io. Eo ampita manatrika ny lapan'Ambohitsorohitra moa no misy azy. Ry zareo nitondra ny olona hovonoina eny moa no mitondra amin'izao fotoana izao ka tsy dia atao mahagaga loatra raha mba manorina tsangambato eny izy. Sady fantatra rahateo fa ampolony no maty tamin'io fotoana io. Tamin'ny tsilian-tsofina sy hitakintantsika taty amin'ny aterineto ihany dia anisan'ny maty tamin'io fotoana io ny rahavavin'ny vadin'ny Kaomandà Charles Andrianasoavina, ary ny fandrenesan'ny vadiny io fahafatesan'ny rahavaviny io ihany, araka ny tsilian-tsofina, no niteraka ny fahatairana ka nahafaty ny vadiny. Efa fantatsika fa ifanilihana ny andraikitra tamin'io raharaha io.

Efa fantatry ny mpanaraka ny toe-draharaha tamin'io fotoana io fa nilaza ny hanangana vaomiera mahaleo tena hanadihady momba io raharaha io, dieny ny ampitso nisian'iny asabotsin-drà iny ny  filoha Ravalomanana. Miharihary tamin'ny rehetra fa tsy nandefa na inona na inona hanosehana ny mpitolona mafana fo ireo mpitandro ny filaminana nanao barazy ny tery aloha tery. Tsy nisy ny baomba mandatsa-dranomaso ary tsy nisy ihany koa ny fanosehana nivantana, fa ny nihazakazaka namonjy aina no nataon'ny zandary sy ny miaramila ary ny polisy nisahana ny sakana. Matoa nahasahy nanambara hanangana vaomiera manokana mahaleo tena ny filoha Ravalomanana dia fantany mazava fa misy andraikitry ny tafika goavana mihitsy ao. Efa nisy ny fifanarahana teo amin'ny mpitandro ny filaminana ivelan'ny lapa sy anatin'ny lapa. Fantatry ny rehetra ihany koa fa tsy maintsy ny filoha nitondra tamin'izany fotoana izany no voahoso-potaka voalohany tamin'iny raharaha iny. Hita tsara anefa rehefa miherika mankany indray isika fa efa tsy voafehin'ny filoha intsony ny tafika tamin'ireny fotoana ireny, eny, efa hatramin'ny 26 janoary aza fa Ravalomanana fotsiny no nanamboatra saina nilaza fa tsy nampihetsika ny miaramila izy... nefa heveriko fa diso ihany izay filazany izay.

Fa dia nanaotao foana koa na izany aza ny ao amin'ny HAT nanagadra mpanao gazety, dia lazaina indray avy eo fa resaka tsy idiran'ny maha-mpanao gazety azy koa no tena isamborana azy sy itanana azy am-ponja. Miezaka ny hamongotra ny fihetsiketsehana ataon'ny mpitaky ny ara-dalàna sy ny fitiavana ny filaminana manko ny tetezamita dia tsy maintsy mandray andraikitra mivilana tahaka izao. Tadiavina avokoa izao fanamelohana rehetra izao. Tsy atao mahagaga intsony raha nampidirina hitanana am-ponja an'Atoa Ralitera Andrianandraina, ilay lehiben'ny fiarovana teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny lalam-panorenanana, ny ahiahy fikasana handoro ny lapan'Ambohidahy, izay ambenany... tsy nisy akory ny porofo hoe efa nisy lasantsy na zavatra mifanahatahaka amin'izany hanaovana vesatra amin'izany ahiahy izany. Eto aho dia manararaotra manoratra fa raha sanatria misy misambotra aho dia loharano roa no mety mahatonga izany.

Ny loharano voalohany dia avy amin'ny vaomieran'ny fifandraisana ao amin'ny tolona atao eny amin'ny Auditorium eny Ankorondrano. Nametraka ny mombamomba ahy tao manko aho ny zoma 8 mey noho ny fitadiavako antontan-kevitra avy amin-dry zareo. Resaka anay samy anay moa iny. Fantatrareo fa mila fotoana betsaka mihitsy ny tolona, ary na dia ny fanoratako aminareo izao aza dia heveriko fa fandraisako anjara mavitrika amin'ny tolona hamerenana ny ara-dalàna eto Madagasikara, ary mba ho nofinofy ratsy eo amin'ny tantaran'i Madagasikara izao fanonganam-panjakana nihatra teto izao, fa mba tsy haharitra ela intsony. Ny loharano faharoa kosa indray dia avy amin'ny vadin'Atoa Alain Ramaroson... Rtoa Olga, raha toa mbola io notononiko anarana io ny vadiny, mahafantatra ahy manko izy io. Ary fantatro ihany koa izy sy ny zanany mianadahy (voalohany ohatra raha toa efa nisy zaza hafa indray!). Hitanareo ihany fa malazalaza ratsy indray izao tsahotsaho amin'ny mety hisamborana ny mpanao gazety nitantara ny mitranga eny Ankorondrano izao, sy manambara ny hevitry ny legalista. Raha nanontaniana manko ny lehiben'ny famotorana eny amin'ny CNME Ambohibao, ny amin'io mety hisamborana mpanao gazety dia tsy nandà mihitsy izy (sady tsy nanaiky rahateo) ka miteraka ahiahy ihany.

Mora dia mora ihany koa ny vesatra azo atao amiko raha voasambotra aho, satria feno antontan-kevitra rehetra na ampahany betsaka momba ity rahahara ity ny mpanoabaikoko na solosainako araka ny ahafantaran'ny maro azy. Ilaiko dia ilaiko amin'ny fanoratana tantara kasaiko havoaka moa ireo antontan-kevitra ireo, nefa azo avadika ho fanohintohinana ny fiandrianam-panjakana sy fikasana fampielezana trakitra manaratsy ny fitondrana ihany koa. Tsy dia ataoko ho olana loatra moa ny amin'izay na hosamboriny aza aho. Ny iriko moa dia raha vao mieritreritra ny hisambotra mpamaham-bolongana ihany koa ry zareo ireto dia mba ho tahaka ny fitenena fotoana vitsy lasa izay nefa amboariko kely manao hoe: "Jentilisa ve? hein ein! c'est rien ein (vakinteny ataritarika!)". Mety ho azo ampidirina ihany koa ny filazana hoe fampielezana vaovao tsy marina (satria tsy mifanaraka amin'ny revin'ny FAT).

Dia mba manararaotra kely aho mitantara ny fandalovako teny amin'ny Auditaurium. Hatramin'ny nifindran'ny tolona ho eny dia vao indroa aho izay no nankeny. Ny voalohany dia tamin'ny alarobia 6 mey 2009 teo. Tohina tokoa ny fo raha nahita ireo mpitolona vitsivitsy sahy sedra niatrika ireo mpitandro ny filaminana teny Tsimbazaza ka nanaovako anakampo hoe tsy maintsy mankany aho rahampitso hampaherezana ireo sisa mbola mitolona. Noho ny zavatra hafa mbola natao dia tamin'ny iray folakandro aho vao niomana ho any io andron'ny alarobia io. Fantatro fa mitady tsy hahatratra ny fotoana aho, sady ny ora fiasako ihany koa miditra amin'ny iray ora sy sasany folakandro dia nandray fiarakaretsaka aho. Indrisy anefa fa ny ora nahatongavako teny indrindra no nirava ny tao. Nisisika niditra ihany aho, hitako tena midadasika ny tokontany, ary azo heverina ho lehibe noho ny kianjan'Ambohijatovo nivoriana aza. Betsaka noho izay nampoiziko ny olona tao na dia maro aza ny matahotra hankao. Ny olana lehibe manko dia tsy misy afa-tsy vavahady tokana ny mankao... noho izany, raha misy ny fanafihana dia tsy afa-mivoaka intsony izay efa ao anatiny ka tsy mahatsambikina ny tamboho efa avoavo ihany ery ambadika. Tsy fantatra ihany koa anefa raha efa misy miandry any na tsia. Ny fefy anoloana kosa moa dia voafefy fanitso ka ny ao anatiny tsy mahita izay ao ivelany, ary ny ao ivelany tsy mahatazana izay ao anatin'ny fefy. Mila karazam-pahasahiana ihany noho izany ny miditra ao amin'io Auditorium Ankorondrano io.

Mazava loatra fa mbola nampiandrasiko tao ihany ny fiarakaretsaka nitondra ahy, tsidika dimy minitra ihany manko no nataoko raha lava indrindra tamin'ity andro nolazaiko ity. Tao anatiny aho dia nahita ireo efa hody, saingy niangaviana hijanona aloha hangoronana ny fanamafisam-peo ka rehefa lasa ny fiara vao miara-mody na mamonjy asa avokoa ny rehetra. Tsikaritro fa misy baoritra fitoeram-pako miely eny ho eny, ary dia amin'ireny tokoa ny olona no manary ny fakony. Nahafaly ahy ny nahita io satria tena fitandroana ny fahadiovana tokoa izany fihetsika izany. Nahavariana ahy fa nisinisy ihany ny olona fantatro tarehy no tsy hitako teny Ambohijatovo mihitsy nefa dia hitako tao... Amin'ny faritra avaratr'Antananarivo manko ireo no mipetraka ary lavitra azy ireo ihany ny kianjan'Ambohijatovo. Misy dia misy ny olona no mankeny isan'andro saingy raha ny maro an'isa tazana teny dia izay fotoana ahafahany hany izy no mankeny. Lasa aho avy teo namonjy ny fiarakaretsaka... May aloha ny manakaiky ny Ar10 000 , hilazako aminao fa mandany vola tokoa ny mankeny, nefa tsy misy vola raisiko mihitsy tsy akory eny. Izay aloha no fandavantenako hamerenana ny ara-dalana hanjaka amin'ny tanindrazako.

Ny fidirako tao faharoa kosa dia ny zoma 8 mey 2009. Tsy afaka nankeny mihitsy aho ny alakamisy 7 mey noho ny asa. Noho izany tsy nahalala afa-tsy tamin'ny gazety ny diabe nataon'ny vehivavy manaraka ny ara-dalàna niainga avy teny Ankorondrano, nandalo ny kianjan'ny 13 mey ary nifarana teo anoloan'ny fiaran'ny miaramila miambina ny zaridainan'Ambohijatovo tsy azo nidirana intsony aho. Hetsika tsy nampoizina io ka tsy mahagaga raha tsy nisy velively ny fiomanana nataon'ny mpitandro ny filaminana. Nitampim-bava ny vehivavy sady namatotra ny tanany ihany koa moa... ary nitondra sorabaventy misy soratra hoe "liberté".

Mba tonga alohaloha ihany aho satria mialoha ny mitataovovonana no nigadona. Mbola hita indray fa betsaka tamin'ireo nifanakaiky tamiko indray no sambany indray vao nankeny Ankorondrano. Gaga ny olona sambany vao tonga eny, ao ireo mihevitra fa vitsy tsy araka ny nampoiziny ireo tonga tao. Mazava loatra izany, hoy aho, satria ny olona ato kosa tsy tia gidragidra ary tsy te-haradratra loatra. Izaho kosa moa dia efa nambarako eo ambony ihany ny hevitro. Tsapa kosa fa maro kokoa noho ny tamin'ny alarobia ny tonga tamin'ity andron'ny zoma ity. Na ny mpikabary aza dia nilaza fa nitombo tokoa ny isan'ny nanatrika ny hetsika. Hita ho miasa ny mpitandro ny filaminana sivily... tsy manao irony akanjo maitso tanora irony intsony... satria izay olona varimbariny sy somary hafahafa fihetsika dia avoaka any ivelan'ny fefy mihitsy fandrao manakorontana na miteraka korontana. Efa zaatra tsara izany ary mametraka tokoa ny atao hoe mpandala ny filaminana. Diso hevitra noho izany ireo izay nikajikajy fa hampitsaha-ketrika ny tolona ny fanakatonana ny radio mada hany tena mpitantara mivantana ny hetsika amin'ny ankapobeny. Isaorana ihany na dia izany aza ny radio fahazavana sy ny matv amin'ny fiezahan'izy ireo mamoaka ny vaovao avy eny Ankorondrano Auditorium.

Mihevitra ny hahavory olona maro moa ny mpanao fihetsiketsehana io Asabotsy 9 mey 2009 io, efa izaho kosa raha nanaraka ny hetsika hatramin'ny voalohany, dia tsy dia manantena izany fahatongavana maro izany loatra. Efa impiry impiry moa no nanantenana tahaka izany tamin'ireny fiandohan'ny tolona hamerenana ny ara-dalàna ireny, saingy na dia betsaka noho ny mahazatra aza ny olona rehefa andron'ny Sabotsy, dia tsy ilay araka ny antenaina velively. Manaraka izany, miteraka adihevitra mandrakariva ny fihetsiketsehana mivoaka ny valan'ny fivoriana. Ataoko fa misy hatrany ny fifanoheran-kevitra rehefa misy izay hetsika midina an-dalam-be izay. Vao ny talata teo no nahitana fa vitsy ny olona mahasahy milahatra izany; koa tsy azoko ny mbola hanaovana ny tahaka izay io sabotsy 9 mey io... raha ny vehivavy irery dia ataoko fa tsy maninona mihitsy...satria tsy misy velively izany olona hiady amim-behivavy izany ka tsy hitafy henatra avy eo, mandresy tsy mahazo sitraka, resy afa-baraka. Angamba, angamba! hoy aho, ny fanarahana mivantana ny lanonam-pitokanana ny filoha Afrikana tatsimo vaovao, Atoa Jacob Zuma, eny amin'ny masoivoho Afrikana Tatsimo, izay tsy lavitra ny Auditorium no hatrehin'ny mpanao fihetsiketsehana, ka disoina ny mpitandro ny filaminana misodisody eny ka manakana ny anoloan'ny ambasady satria ny masoivoho mihitsy no manasa ny rehetra hanatrika io fotoana io (nisy fifanarahana ve tany ho any?) Hanakana ianao hitan'ny manao gazety rehetra ary ahana hanaovan'ny olona fitantarana mivantana miaraka amin'ilay lanonam-panokanana filoha nofidiam-bahoaka ihany koa. Ny hevitra na toeran-kafa indray moa tsy fantatro loatra fa vinavina fotsiny ny ahy. Ny Vondrona Eoropeana anefa no kendrena hampitana hafatra amin'io andron'ny sabotsy io.


Izay no lava, fa araka ny mahazatra izay manoratra eto amin'ny bolongana dia soraty vakiraoka aloha ny soratra, dia ankotrihina (actualiser na update) ny takelaka vao apetraka ilay hevitra, ny solon'anarana ary averina soratana ny marika eo anilan'izany marika hitanao.



jentilisa, 09 mey 2009 amin'ny 01:00 maraina

Tezitra dia tezitra ny Minisitry ny Fitsarana HAT sy vaovao hafa

2009-05-05 @ 22:46 in Politika

Indraindray dia misy tokoa ny vaovao ahiana ho tafajanona eto an-toerana ihany fa tsy tafavoaka any ivelany. Tsy dia tsikaritro loatra, na tsy mivoaka any amin'izay famakiko ny hatezeran'ny minisitry ny Fitsarana HAT raha nangataka ny hihaona amin'ny Praiminisitry ny mpanaraka ny ara-dalàna, nahazo lapam-panjakana itoerana sady ambenana mpitandro ny filaminana maro dia maro saingy atoka-monina sy tsy mahazo mifandray amin'ny olon-kafa, ny masoivoho sy solontenan'ny firenena manana fifandraisana ara-diplaomatika amin'i Madagasikara, toy ny Amerikana, ny Frantsay, ny Alemana ary ny Afrikana Tatsimo.
---------------
Efa nahazo alalana sy tafahoana tamin'ireo parlemantera avy any Vakinankaratra migadra ao Antanimora Antananarivo moa ireto masoivoho ireto. Ny tena niompanan'ny hatezeran-dramatoa dia ny filazany fa efa nisy hatrany ny gadra politika teto Madagasikara koa nahoana no amin'izao fotoana izao vao manao izany fitsidihana gadra poltika izany ireto oloa ireto. Hatezerana diso toerana ihany anefa izany satria resaka diplaomatika ity, noho izany misy dikany ny fihetsika diplaomatika ataon'ireto olona ireto. Ahariharin'izy ireo ny tsy fankasitrahany ny ataon'ny HAT amin'izao fotoana izao.
--------------
Na izany na tsy izany tokoa dia tena mahaariana tanteraka ny isamborana ireo tao amin'ny Carlton, indrindra indrindra fa ny nisamborana an-dRamatoa Ihanta. Tsy misy azoko izay itazonana azy afa-tsy antony politika. Tsy mazaa mihitsy koa ny toerana itazonana azy fa toa samy manana ny filazany avokoa ny mpampita vaovao rehetra. Manjakandriana, Ambatolampy? Amiko manokana dia henatra lehibe ho an'ny tetezamita ny mbola itazonana io olona io indrindra indrindra.
--------------
Vaovao iray mahavariana ihany koa ny amin'ireto Saodiana namangy ny PHAT, nentin'i Michel D. Ramiaramanana avy any amin'ny tsy fantatra any. Vao nahita ny anaran'ilay olona nitondra aho dia nahatsiaro ilay TGV nohalavaina tamin'ny anarana hoe Trano Gasy Vaovao, izay nahazoany vola be tokoa... nefa toa tsy dia hita loatra izay tohiny. Nasainy nadoa vola manko ny olona manao fangatahina rehetra na dia tsy azo itokisana velively aza ny hahazoana trano, fa mbola mila fandinihana. Roboka tokoa ny maro nilahatra sady andoa vola teny amin'ny Tahala Rarihasina tamin'izany fotoana izany. Nikisaka teny amin'ny lalana mankeny Ankatsoavy eo ny foibeny ary tsy hita nanjavonana nanomboka hatreo.
--------------
Dia misy ihany koa ny nanamarika fa toa tsy taratra ihany koa izay maha-mpandraharaha azy ireto. Mba nikaroka tamin'ny milin'ny serasera tokoa ny tena ka mpiasam-panjakana ambony any amin'ny emirà hafa ankoatra an'i Arabia Saodita any no misy mitovitovy anarana aminy. Dia nampahatsiahy ilay Prince Nicholas de Lienchenstein tamin'ny andron'ny Hery Velona Rasalama ihany tokoa izy ity. Fa dia hikarakara ny resaka lafarinina sy siramamy ary menaka, hono, izy ireto. Izaho moa lasa saina fa sao dia ny menaka sy ny lafarinina eto an-toerana ka norobaina teto ihany no mody lazaina avy eo fa avy tamin'ireto Saodiana ireto.
--------------
Na izany na tsy izany, efa nisy Printsy Saodiana nandalo koa teto fony mbola teto an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana. Tsy nisandoka izany rangahy iny fa ny fantatra ho nahaliana azy tamin'iny fotoana iny dia ny resaka vatosoa ihany. Fahadimy erantany ny filaharan'ny harenany tamin'izany fotoana izany.
--------------
Dia tsy maintsy marihana ihany koa amin'ity andro ity ny nisamborana ny mpanao gazetin'ny radio mada sy ao amin'ny The Times of Madagascar Evariste Ramanatsoavina. Voalaza moa fa ho fanadihadiana no nisamborana azy. Noraofina niaraka taminy ihany koa moa ny ambim-pitaovan'ny radio mada. Mangina aloha izao ny radio mada amin'izao fotoana izao. Mba reko ihany koa fa maro ny polisy no nandeha nankany Fenoarivo any hisambotra ny talen'ny radio mada, saingy niharam-pahavoazana ny kamiao nitondra ireto polisy ireto. NIsy ny naratra fa tsy voamarina tsara kosa raha nisy nahafatesana tamin'ireto mpisambotra ireto. NA raha voamarina aza dia tsy hivoaka ho fantatry ny besinimaro izany. Isika manko tsy mbola nahare hoe efa voasambotra io talen'ny radio mada io hatramin'izao.
--------------
Tsy maintsy tenenina eto ihany koa ny herimpon'ireo sisa mbola mahasahy miatrika tsy misy herisetra ireo miaramila ahiako ho efa mifanahanatsahana aza ny habetsahana. Tena fahasahiana miatrika ny zava-drehetra tokoa ka mendri-piderana ny nataon'izy ireo teny Tsimbazaza, eny fa na dia tsy tazana teny aza ireo depiote sy mpitarika hafa. Maneho izao fa tsy miankina amina fisiana na tsy fisiana mpitarika velively no hanaovan'ny mpanaraka ny ara-dalàna ny tolony fa araka ny nahimpony mihitsy.
--------------
Hita ho niatrika ireto andian'olona mitandro ny filaminana sy tsy mampiasa herisetra ireto ny Komandà Lylyson avy ao amin'ny zandarimaria sy ny Komandà Charles Andrianasoavina nefa tsy nampihemotra ny mpanao fihetsiketsehana velively izany. Lesona ho an'ny hafa matahotra mandrakariva hivoaka ny trano ihany koa izany. Angamba nanana henatra ihany, na tsy ampy torimaso ny Komandà Charles fa nanao solomaso maintibe izay ranamana. Amiko midika zavatra iny fanaovana solomaso iny fa samy manana ny fandraisana azy hatrany ny tsirairay.
--------------
Tsy nisy ny herisetra nandritra ny fifanatrehana, noho izany,nisy fahagagana ihany ny toe-javatra niseho talata io. Mety ho efa nihevitra ihany manko ny miaramila fa taorian'ny nahatampina ny radio mada, ka tsy nahenoana toromarika vaovao intsony, dia mety ho nisaritaka ny mpanao fihetsiketsehana tsotra ka tsy handeha hifanatrika amin'izany mpitandrony filaminana mitam-basy izany. Tsy nihevitra velively ny hiditra an-keriny any an-dapa akory ireo olona ireo fa tena fahavononana tokoa ny azy ireo. Na izaho aza miaiky ireto olona ireto. Namana iray moa no niteny fa tsy matahotra izay hitranga na inona na inona intsony izy, fa zavatra maro no efa hitany sy natrehany nandritra izay roa volana latsaka nanaovany fihetsiketsehana izay. Vehivavy io namana io. Ny vehivavy tokoa aloha hatramin'izao no tena mahery fo.
-------------
Dia ahoana ireo depiote tsy hita ny nalehany? Na ahoana na ahoana, ny mpitari-tolona no tena notadiavin'ny miaramila, mampihomehy aza ny filazana miverimberina hatramin'ny androany fa Constant ihany no tena katsahiny. Ataoko anefa fa hihasahy kokoa indray ny hafa rehefa avy nisaintsaina ny hitany tamin'ny vaovao hitany io talata io rehefa hitany fa samy nilamina ny rehetra nandritra ny fifanatrehana. Raha tena nisaina anefa ny depiote dia tsy tokony ho natahotra ny hosamborina ihany koa. Voninahitra ho anao, izay mety hirotsaka hofidiana atsy ho atsy ihany ny mety hisamborana anao noho ny firehan-kevitra fa tsy noho ny halatra na soloky ohatra.
-------------
Dia ireto aloha misy fanambarana tsara ataontsika tahiry ihany fandrao misy ilàna azy indray andro any.
______________________________________________________

Fanambaran'ny Holafitry ny mpanao gazety,

Manoloana ny fisamborana ny namana Evariste Ramanantsoavina teny amin'ny trano fonenany teny Andrononobe Analamahitsy dia maneho ny alahelony ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara. Vao omaly ny omaly isika no nankalaza ny andron'ny 3 mey andron'ny fahalalahana ho amin'ny asa fanaovan-gazety. Tamin'ireo hetsika samihafa no nilazan'ny minisitry ny fifandraisana Atoa gilbert Raharizatovo fa tsy hamerina ny sivana izao governemantan'ny fahefana avon'ny tetezamita izao. Voalaza mazava ihany koa ao amin'ny andininy faha-19 ny fanambarana erantany ho an'ny zon'olombelona ny fahalalahana maneho hevitra, miteny sy ny fahalalahan'ny asam-panaovan-gazety. Mbola iantohan'ny andininy faha-11 ao anatin'ny Lalapanorenana eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara ihany koa izany, koa heverin'ny holafitra fa fanohintohinana sy fanakatsakanana ny asam-panaovan-gazety eto Madagasikara izao fisamborana ny namana mpanao gazety ao amin'ny radio mada izao ary mbola miampy figiazana na confiscation ny fitaovana izay entiny manatanteraka ny asany.

Efa namoaka fanambarana toy izao ihany koa ny holafitry ny mpanao gazety naneho ny alahelony sy ny fanamelohana tamin'ny nahafaty ny mpaka sarin'ny televiziona rta ny 7 febroary lasa teo, sy ny fikasihan-tanana, fandratrana, famonoana ny mpanao gazety vitsivitsy teo am-panatanterahana ny asany nandritra ny krizy saingy na tsy navoaka izy ireny na notsongaina ny hevitra sasantsasany tao anatiny dia nanaovana ny antsoina hoe commentaire.

Dia miangavy ny famotsorana ao anatin'ny fotoana fohy ny mpanao gazetin'ny radio mada Evariste Ramanantsoavina ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, ary mampahafantatra fa aoka tsy ny tsy fitovian-kevitra na ny firehana politika no entina isamborana ny mpanao gazety. Mbola mangataka ihany koa ny fihaonana mivantana amin'ny Minisitry ny fifandraisana ny holafitry ny mpanao gazety.


Antananarivo faha-5 mey 2009

Amin'ny anaran'ny birao, Ruffin Rakotomaharo

________________________________________________________
Antananarivo 4 mey 2009

Raveloson Jean Constant
600 cité des 67ha

@

Procureur de la République

Antony: Plainte de Réserve contre le Cdt Charles A. et la HAT

Amin'izao fotoana izao tsy ahafantarana intsony ny ara-dalàna,

Anatrehan'ny fandrahonan-ko faty ny tenako nataon'ny Cdt Charles, ary natrehim-bahoaka izany teo Ankorondrano androany 04 mai 2009, sady noraisina sy nampitain'ny radio samihafa, nazava tsara, ary hita fa efa tena nokotrehina koa na ny fomba hanatanterahana azy na ny olona hanatanteraka azy ("ny boay keliko") hatramin'ny fitaovana hampiasainy,

Ka anisan'ny teniny tamin'izany ny hoe "je veux Raveloson Constant entre mes 2 mains" - "ho mahamay izy raha azonay" - tsy maintsy azonay Raveloson Constant na ho ela na ho haingana" - " mbola tsy izy ny nahazo ny nahazo ny kolonely Théophile sy Zakabe" - "mbola madio ny tanako hatramin'izao. Izaho tsy namono olona. Fa Raveloson Constant no handoto ireto tanako ireto".

Ity fifofoana aina ambaran'ny Cdt Charles ity raha heno aminy dia hoe satria izaho angaha, hono, mandrahona azy sy ny miaramila tarihany ary ny 19ème promotion.

Koa tena iankinan'ny aina ilana antoka faran'izay matotra hitam-poko hitam-pirenena avy amin'izay fahefana ara-dalàna na hafa izay mihevitra hifandray amiko ny momba ny fiarovana ny aiko sy ny tenako, momba ny zoko ary ny fitondrana araka ny rariny sy ny hitsiny ny raharaha mahakasika ahy.

Raha tsy izay dia tsy misy azo anoharana tahaka izao androany izao: tsy maintsy mitandro ny aiko aho ka misintaka tsy ho azon'ny mpifofo.

Rehefa jerena amin'ny lafiny faobe dia ambarako fa voaray anatin'ny andininy faha-6 fa indrindra ny faha-8 amin'ny fanambaran'ny groupe de Contact tany Adis Abeba ny 1 mai 2009 izao mikasika ahy izao.

Izao no fanambarana sy fiahiahiana apetrako:
1 - Ambarako fa amin'izao fotoana izao dia salama tsy misy aretina aho, na dia izay mpahazo amin'ny vanintaona mahazatra aza. Fady amin'ny hevitra ijoroako ny mandratra tena na mamono tena.
2 - Ambarako fa tsy manan-kevitra ny handositra aho raha tojo fisamborana ara-dalàna. Tsy mihevitra nyhamaly sady tsy manana izay hanaovana izany rahateo aho ary tsy hanao na inona na inona mety hanery na iza na iza hifehy ahy aman-kery na handresy ahy aman-kery.
3 - Toriako ny fiahiahiako noho ny Cdt Charles nandrahona ahy ary tànako ho tompon'andraikitra raha misy manjo ny tenako sy ny aiko: na izy mpanao amin'ny tenany manokana, na izy mpanao fisamboran'ny HAT-TGV, na/sady izy koa mpampanao izany.
4 - Toriako tahaka izany koa ny fiahiahiako azy mikasika ireo akaiky ahy sy ireo mpiara-mitarika ny fihetsiketsehana "légalistes" ho amin'ny ara-dalàna.
5 - Ambarako fa vonona aho handinika izay tolokevitra vahaolana faobe sy izay mahakasika manokana ny tenako sy ireo tranga mifanahaka amin'izany mba hivoahana amin'ny fifanandrinana politika misy.

Koa apetrako amim-panajana aminareo manam-pahefana tandrify izao fehin-kevitra izao.

Raiso, Tompoko, ny Haja ambony atolotro anao.

Sonia

Dika mitovy: Antenne opérationnelle du Groupe de contact, Toutes Ambassades et représentations diplomatiques, toutes Organisation de défense des Droits Humains, tous media

_________________________________________________



Jentilisa, Antananarivo 6 mey 2009  amin'ny 00:45

Lettre d' Ihanta Randriamandranto avant qu'elle ne soit arrêtée

2009-04-30 @ 21:01 in Politika

Lettre ouverte à "Monsieur le President de la haute Autorité de Transition"

Monsieur le Président,

Le 27 avril 2009, mon époux, RALITERA Andrianandraina, Directeur de la sécurité de la Haute Cour Constitutionnelle de la République de Madagascar, a été arrêté par des militaires du CAPSAT, dans son lieu de travail et dans des conditions humiliantes, bafouant les principes fondamentaux des droits de l'homme.


Il est aujourd'hui détenu secrètement avec trois de ses collaborateurs, accusé d'être l'auteur et le commanditaire de Coup d'État, de complots, de détention illégale d'armes de  guerre, d'assassinats, et de tuerie de masse. Un journal va plus loin en l'accablant d'être le tireur d'élite dans la "tuerie d'Ambohitrorohitra".

Au regard de telles accusations, il est passible de la plus lourde peine jamais appliquée à Madagascar. Dans d'autres pays, il subira la peine capitale.

La justice sortira la vérité sur cette affaire.

Ayant pour ma-part, la conviction de l'innocence de mon mari, permettez-moi en toute humilité, de vous rappeler qu'en vertu de ses responsabilités de directeur de la sécurité de la HCC, il fût celui qui a reçu à la HCC, vos émissaires, porteurs de votre lettre en date du 17 mars 2009 dont l'objet était de demander la validation des transferts des pouvoirs en votre faveur.

Permettez-moi aussi de vous rappeler qu'il fut celui qui a coordonné votre sécurité lors de votre "installation officielle " à Mahamasina. En tant que premier responsable de la sécurité pour les événements sous l'égide de la HCC, il lui revenait cette mission combien délicate de garantir votre sécurité au Stade de Mahamasina. A ce titre, il fût celui qui a vérifié que le collier du « Grand Croix », la plus haute distinction de notre République, que vous avez porté ce jour, soit sûr et que votre sécurité soit garantie dans les moindres détails.

Ceux qui connaissent mon mari savent combien il est fier d'avoir accompli, en toute loyauté envers ses supérieurs, les missions qu'on lui a confiées, et cela en dépit de ses convictions de citoyens et au prix de sa vie. "Ndrema" rappelait toujours à ses interlocuteurs que la HCC est la seule institution de la République d'où aucune balle n'a jamais été tirée depuis qu'il était le responsable de la sécurité. Il a été celui qui a ramassé la grenade lancée sur la HCC et qui n'a pas explosé dans le parking et qui constitue aujourd'hui une preuve contre lui (voir photo dans les média).


Ce premier responsable de la sécurité de la HCC, Institution qui vous a porté aux pouvoirs, est aujourd'hui sur l'hôtel du sacrifice. Il porte sur ses épaules, les contradictions de cette Transition.

« Toute personne accusée d'un acte délictueux est présumée - innocente jusqu'à ce que sa culpabilité ait été légalement établie au cours d'un procès public où toutes les garanties nécessaires à sa défense lui auront été assurées. » Art. 11 de la Déclaration Universelle des Droits de l'Homme

Par cette lettre, je vous invite à réfléchir sur les droits de l'homme et notamment à l'Article 5 de la Déclaration Universelle des Droits de l'Homme, « Nul en sera soumis à la torture, ni à des peines ou traitements cruels, inhumains ou dégradants. » et à l'Article 11 et l'article 12, « Nul ne sera l'objet d'immixtions arbitraires dans sa vie privée, sa famille, son domicile ou sa correspondance, ni d'atteintes à son honneur et à sa réputation. » Notre vie privée est aujourd'hui touchée, notre domicile saccagé, nos biens personnels volés par les militaires qui l'ont arrêté, nos enfants terrifiés par tant de violence et de menace.

Mais nous défendrons nos droits tels que la Constitution de notre pays et nos lois nous l'accordent. C'est cela, Monsieur le Président, le legalisme. Nous nous battrons au côté des millions de malgache pour que les droits fondamentaux de tout un chacun soient respectés. Je me battrai pour restaurer l'honneur et la dignité de mon mari et de ma famille et pour que la vérité dans cette affaire soit connue.

Monsieur le Président,

La population de la Capitale dont vous étiez le premier magistrat pendant deux ans, ne se trompera pas d'ennemis. Elle a vu et connait les véritables auteurs des massacres qu'elle endure, et les barbaries des apprentis sorciers qui sèment la terreur en votre nom.

Dans votre capacité, vous pouvez encore changer le cours de l'histoire de notre pays.
En reecoutant votre prestation de serment du 21 mars 2009, je ne doute pas que vous avez ce courage.

Je vous demande donc, en toute humilité, d'agir pour sa libération et de ses collaborateurs.


Ihanta Randriamandranto

Fanamarihana: ity taratasy misokatra amin'nyteny frantsay ity dia hita tao amin'ny gazety taratra nivoaka ny alakamisy 30 avrily 2009 laharana 1573 takelaka faha-11. Tsy hitako mivoaka aty amin'ny sinibentserasera manko izy ity ka izay no namoahako azy manontolo. Ihanta Randriamandranto manko no heverina ho mpitarika ny vehivavy manohana ny ara-dalàna amin'izao fotoana izao ary nosamborina niaraka tamin'Atoa Manandafy Rakotonirina tao amin'ny Carlton Madagascar ihany koa.

Zavatra hafa manaraka: Nahomby tamin'ny antsoavo nataony tao amin'ny radio fahazavana ary nampitaiko teto omaly ihany koa i Constant Raveloson. Tsara ny manambara fa kely dia kely ihany no tsy mety henoko tamin'ny nambaran'i Constant Raveloson ka ireny no tsy voasoratro omaly. Inona moa no nokendren'i Constant raha nanambara ihany teny hoe misy teny sahady manambara fa maty nisy nitifitra ny praiminisitra Manandafy? Tsy nilaza velively izy hoe maty ny praiminisitra fa nasongadiny ny hoe misy teny renay... sady nasehony ihany koa fa misalasala ny amin'izany izy.

Fikendrena ireny fampisalasalana ireny mba tsy handratrana an'i Manandafy sy ireo mpiaraka voasambotra taminy. Nihazakazaka avy eo ny teny amin'ny birao niantso ny mpaka sary sy nympanao gazety nampiseho fa indro mbola velona ny lehilahy. Ny tanjona moa dia ny hampisehoana ny gadra rehetra saingy i Manandafy ihany no naseho. Tanjona ny tsy handratrana ireo gadra ireo... saingy baraingo tanteraka aloha izany ho an'izay tsy naseho olona to aan-dRamatoa Randriamandranto Ihanta sy ireo mpiambina nosamborina. Noho izany, Herimpo tokoa ny an'ny vehivavy mpanohana ny ara-dalàna raha nahavita nanao filaharana nankeny Ambohibao ry zareo ary avy eo indray dia namonjy nankeny amin'ny Fitsarana Anosy satria halaina ambavany ireto olona nalaina an-keriny ny alarobia alina ireto.

Mety hahagaga izay nahare ny vaovao koa ny fijoroana vavolombelona nataona vehiavy iray teny amin'ny fivorian'ny mpandala ny ara-dalàna teny amin'ny magro Ankorondrano tamin'ity andron'ny alakamisy 30 avrily 2009 ity. Nisy miaramilan'ny Capsat iray manko tratran'ny mpitolona nitsikilo tao. Voaporofo atmin'ny alalan'ny antotantaratasy momba azy mihitsy izany. Tsy nokasihina mihitsy anefa io miaramila nasaina nitsikilo io fa nalefa fotsiny tamin'izao, ary naka azy teo am-bavahady ny 4*4 pick-up fotsy an'i Capsat efa nihaodihaody teny amin'ny manodidina ihany koa. Nahavariana ny mpitazana ny nahatongavan'ny fiara teo sahady ka nieritreretana fa misy "mpamadika' mbola mifangaro amin'ny olona ao. Misy zavatra azo tsoahina ihany koa amin'ity toe-javatra ity.

Fantatra fa be dia be ny mpitsikilo any anatin'ny hetsika rehetra ataon'ny mpanohana ny ara-dalàna, miasa dia miasa ny fitaovan-tserasera ahafahana manao zavatra haingana dia haingana. Noho izany, amiko manokana, tsara ny mandray fepetra hentitra raha tiana hahomby ity tolona ity. Ohatra, tsy azo atao ny miantso am-pinday, na mandefa sms, mandritra ny fotoam-pivoriana. Ny mpanatrika rehetra ihany koa dia tsy mahazo mitondra ecouteur na fihainoana amin'ny sofiny. Tokony ho maty (tsy mandeha) avokoa izany ny fitaovam-pifandraisana mivantana rehetra. Fantatro dia fantatro fa sarotra tanterahina izany, eo amin'ny asam-panaovan-gazety ohatra, fa tsara raha atao fitsipika anatin'ny tolona io fepetra io. Efa anaty ahiahy rahateo fa misy any anatin'ny ambaratonga rehetra ny mpitsikilo sy mitetika ny handrava ny tolona. Efa hita ihany koa fa toa tsy misy mampita izay vaovao akory ny mampita vaovao rehetra... Hevitra fotsiny ny ahy ary fampieritreretana  ny mpitarika rehetra fa anajran'ny rehetra ihany ny miara-manapa-kevitra.


jentilisa, 30 avrily 2009 amin'ny 23:02

Ny antso avon-d Raveloson Constant taorian'ny fisamborana an'i Manandafy Rakotonirina

2009-04-29 @ 22:36 in Politika

Ataoko fa efa novakian'ny mpiserasera Malagasy manara-baovao politika rehetra fa nisy mpitari-tolona maromaro no nosamborina tao amin'ny Carlton Madagascar ny andron'ny Alarobia 29 avrily 2009 fiandohan'ny alina maizim-pito teto Antananarivo. Anisan'ny voasambotra tamin'izany ihany koa Rtoa Ihanta Andriamandranto mpitarika ao amin'ny vehivavy mpandala ny ara-dalàna eto Madagasikara. Efa nendahan-dry zalahy hatramin'ny nisamborana azy avokoa ny akanjon'ireo nosamborina ankoatra ny an'i Manandafy ny Ihanta. Efa tsy zoviana intsony fa ny Komandà Charles Randrianasoavina no nitarika ny miaramila hisambotra ireto mpitari-tolona ireto.  Io Komand io no nitazona tamin'ny vozon'akanjony ny praiminisitra Manandafy sady niedinedina hatrany niteny hoe : "Ahy ialahy manomboka androany! Ahy ialahy manomboka androany!". Teo anatrehan'izany dia nanao antso avo ho an'ny mpitolona Raveloson Constant mpitondra tenin'i Manandafy sady mpitari-tolona efa fantatry ny mpanaraka ny ara-dalàna rahateo. Indro omena antsika eto ny voalaza nandritra ny antso avo naverimberina tao amin'ny radio fahazavana ity ny alin'ny alarobia 29 avrily taorian'ny fisamborana :

...tamin'ny nanaovan'ny miaramila (ny fisamborana) ny praiminisitra Manandafy sy ireo mpiaraka aminy, miara-miasa sy miaro azy tamin'ny nanaovana habibiana, naboridana, novelesina teo imason'ny filazam-baovao sy ny sary aman-jery ary efa hitan'izao tontolo izao sahady amin'izao isika miteny izao. Ary tany amin'ny toerana nitondrana azy moa dia noterena hitelefonina hanotany amiko ny toerana misy ahy sady arahina ompa sy teny ratsy. Izay rehetra izay no lazaina amintsika dia hanehoana amintsika fa efa tena tonga amin'ny tsotsori-mamaba hisarahana tanteraka amin'ity fitondrana nanongam-panjakana ity isika izay misora-tena ho "Haute Autorité" na HAT. Ny zavatra tiana apetraka sy iantsoana antsika vahoaka rehetra rehetra: Raha izahay no voasambotra, dia tokony hisy folo, zato, arivo ohatra anay indray hitsangana.

Koa manomboka izao ny fiadiana amin'ny fanjakana sy ireto toa miaramila kanefa mianao habibiana amin'ny mpitady ny ara-dalana ireto. Antso avo tsy misy hatak'andro ho antsika, tsy hijanona intsony ny fihetsiketsehana raha tsy miala izao fitondrana manao habibiana tsy roa aman-tany izao. Antso avo hanara-maso akaiky ny nanjò ireo namanareo satria izao sahady dia efa misy feo (teny) milaza fa nisy nitifitra namono ny praiminisitra Manandafy. Asa ny fahamarinan'izany, anjaran-dry zareo nisambotra sy nangalatra azy no mampiseho fa tsy nisy tohina na kely aza ny PM sy ireo olona miaraka aminy.

Mieritrereta ianao ry ingahy Rajoelina satria avy aminao no nahatongavan'izao rehetra izao. Ny hambom-po diso toerana, ary ny fiheverana fa afaka manao ho mpanjaka eto Madagasikara ianao. Tonga ny fotoana hiheveranao amin'ny vokatry ny fanapahan-kevitrao, mbola ianao ve no  nampanao an'izao zavatra izao? Anjaranao ny miteny,mitsara anao ny vahoaka. Ny anay kosa efa fantatra ny zavatra miandry anay, efa nambaran'ny miaramila anay izany ka tsy maintsy mitohy ny hetsika ary tsy hahatapitra ny vahoaka Malagasy akory ianareo. Tsy maintsy mitohy ny hetsika ary ny ... amin'ny fitakiana raha tsy miverina ny ara-dalàna eto amin'ny tany sy ny firenena iarahamanana. Ny Fahendrena dia ny amin'ny manao ny fifandaminana mba hisian'ny firenena afaka mandroso. Tsy maintsy avoaka eto ihany ny vaovao araka ny fitohizany, manaramaso izao ny namana erantany, ny depiote. Efa niantso ny tany amin'ny International Liberal izao ary dia ho hitantsika eo ny fivoaran-draharaha. Samia manomana ny toromarika sy ny baiko fa tsy maintsy hitantsika ny fomba hanohizana ny tolona. Misaotra tompoko.

Vita izay antso izay dia nitsahatra ihany koa ny radio fahazavana nanomboka tamin'ny 11 sy sasany mahery teo tamin'ity alina ity. Hitantsika fa tsy voafaritra mazava ny tokony hataon'ny tsirairay. Ny hevitro manokana moa dia hoe tsy mety loatra intsony ny fidinana an-dalambe raha mbola matahotra ny maro hanohitra ireto herim-pamoretana ireto. Tsy maintsy miainga any amin'ny isam-batan'olona hatrany anefa ny fanapahan-kevitra manoloana izao fisamborana ny mpitarika izao. Efa niainana ny fahanginan'ny lehibe raha olon-tsotra no nanainga ity tolona nitsipahana ny fanjakana nalaina tamin-kery ity... miverina hatrany indray isika amin'izao fotoana izao, dia ny fijoroan'ny olon-tsotra mahasahy mijoro. Hampitombo ny lonilony efa voatahiry any amin'ny maro any izao fihetsika ataon'ny miaramila mitam-basy mampihorohoro olon-tsotra izao. Aleo samy hieritreritra ny tsirairay manolonaa izao zava-misy izao.



jentilisa, 30 avrily 2009 amin'ny 00:37

Hisy ho lasa adala mihitsy!

2009-04-26 @ 20:17 in Politika

Mampieritreritra ihany ny toe-java-misy ka mila fitandremana tsara! Fanintelony izay no notafihina miaramila ny trano misy ny radio mada sy ny radio fahazavana. Ny fanafihana voalohany dia fisavana fotsiny ihany. Mikaroka ny fitaovan'ny radio mada tao amin'ny trano misy ny radio mada sy ny radio fahazavana izay mifanolo-bodirindrina amina trano iray ho an'izay tsy mahalala tsara ny toerana. Marihina fa na izaho aza, araka ny fitadidiako, dia indray mandeha ihany koa no niserana tany amin'io toerana io. Tsy natoky loatra ny fisian'ny fitaovan'ny radio mada tao amin'io toerana io ry zareo ka dia lasa fotsiny. Ny fanafihana faharoa no nandraofana ny fitaovan'ny radio sy tele mada, tsy azoko loatra na noraofina ny an'ny radio fahazavana tamin'io fotoana io na tsia fa ny fihainoko azy aloha dia novonoina tsy haneno ny radio fahazavana aloha. Somary naka kely ny fanaon'ny radio mada ny radio fahazavana tao anatin'ny fotoana fohy ary nampanantena sy nampitondra hafatra sahady ny teknisiana tao amin'ny radio mada fa eo am-pikarakarana ny famelomana ny radio indray ry zareo.

Nionona tamin'ny radio fahazavana tokoa aloha ny mpitolona sady tsy henon'ny mpitolona mitsipaka ny fanjakana nalaina an-keriny loatra ny fahabangan'ny radio mada. Mbola afaka nivory teo an-kianjan'Ambohijatovo mihitsy manko ry zareo tamin'io fotoana io. Inona tokoa? tsy ampy roa andro dia niverina tamin'ny laoniny tokoa ny radio mada. Lasa ny saina : naverina ve ny fitaovan'ny radio mada? Tsia, fitaovana vaovao indray no nampiasaina nanomboka tamin'io fotoana io. Hafaliana ny an'ny mpitolona satria hita ho hery lehibe tokoa ny fisian'ny radio, indrindra fa efa nanomboka amin'izay ny fandrarana tsy hidirana intsony ao Ambohijatovo. Nahavita hetsika aza ny mpitolona ka ny tena avahana amin'izany dia ny diabe nataon'ny vehivavy legalista niala avy teny Ambatoroka ho eny amin'ny lapan'i Mahazoarivo. Naharomotra ny miaramila sasany iny karazana fahombiazana iny na dia mbola anjatony metatra miala ny lapa aza no nisy ny vehivavy mpandala ny ara-dalàna.

Raikitra indray ny fanafihana fanintelony ny trano fiasan'ny radio mada sy ny radio fahazavana teny Faravohitra. Noraofina avokoa indray ny fitaovana rehetra tao na ny an'ny Fahazavana na ny an'ny Mada. Izay tsy voaroaka dia nopotehina... mazava dia mazava ny tanjona dia ny hamotehina tanteraka ny tolona, hisaritaka tsy mahalala izay tokony atao intsony ny olona, samy hanao izay tiany atao noho ny fisaratsarahana ary dia halemy na tafiditra amin'ny herisetra hiandrasana kendritohina izay rehetra mbola sahy mijoro na dia nivandravandra aza ny fampihorohoroana tsy hiserantserana an-dalambe sao matimaty foana eo. Io no kihondalana nandrasana tamin'ny mpitolona, ary nahatonga ny tompon'andraikitra ambonin'ny filaminana nampitandrina ny "mpankorontana" izay tiana hotondroina ho mpitifitifitra olona an-dalambe nampitandrina mialoha tao amin'ny televiziona nasionaly. Rehefa miditra herisetra manko ny mpitolona dia afaka mampiasa basy soa aman-tsara, araka ny eritreriny, ka izay maty na maratra voatifiny dia voa noho ny "herisetra" nataony fa tsy noho ny tolona hampanjakana ny demaokrasia. Mpanao tetikady mahery vaika tokoa ry zareo aryhita ihany ny maha-manamboninahitra azy ireo. Niara-nopotehina ny radio mada sy ny radio fahazavana dia tsy hisy intsony ny mpampita hafatra sy toromarika hiarahan'ny mpitolona. Indrisy, mbola diso hevitra ihany ny mpitondra tetezamita. Samy nitsangana tamin'ny maty indray ireo radio roa tonta ireo, tsy naverina tsy akory ny fitaovana nalaina teo fa mbola misy fitaovana hafa ihany no nampiasaina indray, ora vitsivitsy fotsiny no nisaina dia injao henonao indray ny feon'ireo radio ireo. Hisy ho lasa adala eto marina, hoy aho anankampo, tsapako fa nitsiky naneso! Robao foana leity fa misy vaovao mitsangana foana eo a! Na dia hanadrohadroana ny "tetezamita" fotsiny aza.

Na izay aza dia efa misaritaka hatrany ny mpitolona raha vao maty ny radio mada indrindra fa ny sabotsy alina syny alahady maraina. Izaho kosa nahalala avy hatrany fa amin'ny andron'ny tolona ihany no tena hampiasana azy, ary mety hisy aza ny ora tsy handehanany dia tsy hanahy aho... naato tsindraindray ny fampielezam-peo hakan'ny mpiasa ao aminy aina e! Efa hitako sahady aza fa na dia ho tratra indray aza ireo fitaovana ireo dia mbola hisy hafa indray hijoro ho radio mada. Ho ela velona ilay radio mety hahalasa adala ireto tsy tia ny hampielezany feo nefa ny ady seza any amin-dry zareo mbola mafotaka dia mafotaka ihany koa e! Hatramin'izao aloha aho dia mampirisika ny rehetra tsy hiditra herisetra mihitsy aloha fa io no tena andrasany avy amintsika. Aleo ny samy miaramila ihany no hifampitady eo avy eo fa tsy maintsy hisy foana ny tsy hahatanty intsony ny fandripahana vahoaka ataon'ny miseho azy ho tsy tratran'ny aloka amin'izao fotoana izao.

Etsy andanin'izany, dia tsikaritro mihitsy amin'ny manodidina ahy sasany (fa tsy izay rehetra tsy mitovy hevitra amiko velively no ambarako etoana) fa misy dia misy (sivily izy ireo) ny maniry mihitsy ny handripahana ny mpitolona amin'ny alalan'ny toraka grenady be dia be dia tsy ho afa-mihetsika intsony izay sisa miangana. Aza maniry loza ho anay indrindra re fa tsy mety izany e! Raha izaho manokana, tsy naleo ve nivory isan'andro tao Ambohijatovo fotsiny ny mpitolona fa mety ho reraka tao fotsiny? sa hita ho miahamahazo hery sy mihamahazo vahana dia naleo kantsanana. Efa tsy nahomby ny fampanginana radio nataonareo, ary manantena hatrany izahay fa hisy vaovao hitsangana hatrany eo na dia ho tratranareo aza izay niasa tamin'iny fotoana iny dia hisy mandrakariva ny fifandaminana dia ho aiza izany ny lalankalehanareo? Fantatro tsara mihitsy fa mbola tsy afaka miritarita ny SADC amin'izao fotoana izao satria mbola tanaty fifidianana i Afrika Atsimo ary mbola ho avy ny fanendrena filoham-pirenena vaovao any aminy, fa rehefa tontosa tsara izany fotoam-pifidianana any Afrika Atsimo izany dia inona no hataonareo?



jentilisa, 26 avrily 2009 amin'ny 22: 18

Mihaza olona ny miaramila: Misy ny mpitari-tolona voasambotra

2009-04-22 @ 21:05 in Politika

16:35: Araka ny nolazain'ny radiomada dia nisy ny loholona sy ny depiote no nosamborin'ny Capsat teny Ambanidia. Anisany ny Loholona Rabenatoandro Lanto mpitari-tolona avy any Antsirabe.
15:30 Re fa miditra an-keriny ao amin'ny HJRA miaraka amin'ny baomba lacrymogene indray ny miaramila amin'izao fotoana izao.
Efa hatry ny ela no nanirian'ny mpihaino ny hiditra mivantana ao radio mada Antananarivo hifampahery amin'ny tolona ataony. Androany alina izany ao tanteraka ary dia tsy misy mihitsy ny fotoana very aloha hatramin'izay nanombohany nampiditra mpihainoizany fa dia toy ny hoe ny mpihaino fotsiny nomameno ny fotoana rehetra, hatramin'izao dia tsy nisy nibodo fotoana fa miezaka manafohy ny resany avokoa ny rehetra. Raha toa moa ianareo any Ivelan'i Madagasikara te-hiantso ihany koa dia omeko anareo ihany ny laharana azo iantsoana azy dia ny (+261) 33 28 500 41, laharana tokana ihany. Marihina fa efa hatry ny ela kosa ny radio mada Antsirabe no efa nampiditra ny feon'ny mpihaino ka mety ho mampafana ny tolona ao amin'io tanàna io izany toe-javatra izany.

Te-hanoratra mihitsy aho fa mamely ahy ny torimasoko, ary tsikaritro ihany koa fa mitady hitovy ny ora hamakiana ny vaovao rehetra famakiko avy amin'ny hafa sy ny ora laniko hanoratana izay vaovao fantatro ho anareo. Ny tiako asongadina aloha dia ny herimpon'ny olona niari-tory indrindra fa ny tanora nanatrika ilay maritiora nitondra ny anarana hoe "Randriamanjato Richard" nandritra ny alina ao anatin'izao hatsika be tampoka teto amin'ny tanàna izao, nefa dia any ivelan'ny trano no niareta-tory. Miaiky anareo rehetra izay niari-tory aho fa na hatsiaka na moka dia niaretanareo tao avokoa mandra-piposaky ny masoandro. Mari-pitiavana tena goavana no vitanareo ka dia mirary soa anareo rehetra indrindra.

Farany sahady fa mamely dia mamely ny torimaso, fa maninona ho'aho no tsy misy mpanao gazety mahasahy manontany an'Atoa Randriamanjato Richard Mahitsison, hoe ahoana ny fihetseham-ponao amin'izao misy olona nametraka ny anaran-janany tamin'ny anaranao nefa dia maty nitolona tany amin'ny vondron'olona manohitra ny zanakao amin'izao fotoana izao? Mba ampitampitaiko fandrao mba misy mpanao gazety afaka manontany iny mpitandrina iny ihany!



jentilisa, 22 avrily 2009 tamin'ny 23: 05
 Araka ny re ao amin'ny radio fahazavana sy ny radio mada Antananarivo dia manenjika sy mitifitr'olona manerana an'Antananarivo ilany atsinanana ankehitriny ny miaramila. Ambohijatovo, Ankazotokana, Ambatonakanga, Mahamasina, Anosy, Ambanidia no fantatra aloha hatramin'izao hanenjehana sy itifiran'ireto miaramila ireto ny olona. Nisy toerana telo aloha no nolazaina ho fihaonan'ny mpanohana ny ara-dalàna dia Ankazotokana, Prinz Hotel ary Ankadimbahoaka... tsy mbola nandrenesam-baovao aloha ny any amin'ny faritra hafa. Efa nisy tovolahy iray indray no voatifitra teo amin'ny lohany ary efa mihoatra ny folo ny maratra. Ny eny Andrefan'Ambohijanahary koa dia voalaza (araka ny radio mada) fa ampidirina an-toby ireo olo-tsotra voasambotra, maratra ary maty. Heno moa fa nisy famoriana miaramila Malagasy sy Frantsay eny amin'ny Mess Betongolo io atoandro io... inona no nokonokononina tao?
 12:40

Fa ho entina mankaiza ity tolona ity e?

2009-04-20 @ 21:40 in Politika

Mety ho gaga ny maro amin'ny filazako saingy tsy te-hivaona amin'ny foto-kevitro mihitsy aho. Efa fantatra ihany fa tsy mahazaka ny hetsika isan'andro  eo Ambohijatovo ny sasany dia izay ihany no notohizana fa tsy niditra zavatra hafa efa niomanan'ny mpifanandrina amin'ny tena. Efa porofo mitohoka amin'ny tendany anie ny fitadiavana hanakorontana ny hetsika amin'ny alarobia ho avy izao amin'ny filazana ho fanoherana ny jadona nefa izy mpitatatata izany indrindra no manao ny jadona amin'izao fotoana izao. Efa fantatra ihany fa tsy mahasahy manao na inona na inona ny miaramila raha vao ny vehivavy ihany no mandeha fa manao ny ataony izy raha vao maro ny lehilahy milahatra an-dalambe izany na dia tsy hanao herisetra aza ireo lehilahy ireo dia nidirana ihany izany. Izao lasa miova ny toe-draharaha.

Tonga teny Ambohijatovo aho tamin'ny atoandro, mialoha ny handehanako miasa miditra amin'ny roa ora ary tsy afaka mivoaka ao intsony avy eo nohony tsy fahampian'ny mpiasa. Teo amin'ny fanaovana ny hiram-pirenena ny mpitolona no teny Ambavahady ambany aho. Nandeha ny andininy fahatelo tamin'ny "Madagasikara Tanindrazanay" no tonga teo amin'ny toerana mahazatra ahy aho. Hanomboka ny fotoam-pivavahana dia nahatsikaritra andiana tanora tokony ho 30 teo ho eo aho (50 hoy ny hafa) hita miharihary fa tsy zatra an'Ambohijatovo no eo afovoamboany somary avaratra amin'ny kianja tsy tena maheno akory izay lazaina ery ambony sehatra fa mikonokonona mbola mitsangana miavaka amin'ny besinimaro. Ireo no be tabataba avyhatrany hoe "tonga dia action" fa tsy mahalala velively hoe fotoam-pivavahana no atao rehefa vita ny hira anankiroa an'i Madagasikara. Nolazaiko avokoa ny manodidina ahy hoe jereo ireo fa ireo no hanakorontana antsika. Tsy nisy niteny ny manodidina ahy izay nilazako... raha mba nanana camera manko aho. Hitako indray ny anankiray fa nisy niantso tamin'ny finday ary dia nihaino avokoa ny manodidina ireo tary tsy mazava ireo. Dia nandeha soa aman-tsara ny resaky ry zalahy. Izaho aneefa miantso olona amin'ny findaiko tsy mety mahazo mihitsy. Nanafatra ny manodidina ahy aho hoe araho maso ireo fa hanao zavatra, di alasa namonjy ny asa fa mitady ho tratra aoriana.

Inona tokoa, reko amin'izay fa nisy nanakorontana teny amin'ny sehatra rehefa hirava iny ry zareo tao. Betsabetsaka ihany koa ny olona hitako niala teo Ambohijatovo tamin'izaho niala teny. Mieritreritra aho fa mety ho olona tsy tia gidragidra tahaka ahy ireo olona ireo. Ny mahavariana ahy dia ny mbola nandehanana nilahatra ihany nefa efa fantatra fa efa niomana tamin'izao indrindra ireo mpitabataba ny "tonga dia action" ireo. Androany alatsinainy 20 avrily anefa no mba nahitana olona nandohalika maro nivavaka izany. Tsy gaga intsony aho avy teo raha nahita fa nisy nandoro ny fiara vitsivitsy tao amin'ny minisiteran'ny planina, any amin'ny tsy nandehanan'ny mpitolona, ary tsy ankasitrahako mihitsy ny fandoroana fananana mety ho an'ny tsy manantsiny tahaka itony.

Na izany na tsy izany dia tena nahatsiravina ny nahita ireto miaramila nitoraka baomba mpandatsa-dranomaso tao anatin'ny faritry ny hopitaly HJRA. Sy toy ny manafika inona manenjika olona amin'ny basy ao anatin'ny faritry ny hopitaly io. Tsipalotro tamin'ny sary tvplus ireo olona nandohalika niaraka nanandra-tsaina malagasy saingy atsasaka segondra ihany moa no nanehoan'io tele io azy. Hita fa biby aie ireto miaramila mpanao famoretana ireto e! Ninia aho nanao fohifohy ny zavatra ambarako androany satria mba efa nisinisy ihany ireo namoaka vaovao aty amin'ny siniben-tserasera. Mihevitra ny tsy hampisy ny hetsika eo Ambohijatovo intsony ny PM HAT Roindefo ka asa horavan'ny miaramila ve izany ny hetsika eny Ambohijatovo io talata io?




jentilisa, alatsinainy 20 avrily 2009 tamin'ny 23:42
 
Efa saiky hatory aho no nahita ny lahatsoratry ny namana avylavitra ka somary hanitsy kely. Tsy teny an-toerana aho fa izay araka ny nasehon'ny televiziona kosa no ambara. Ilay polisy voatifitra aloha dia polisy mpanangom-baovao manaraka ny tolona eny Ambohijatovo mandrakariva. Tsy voatery ho mpitolona izy fa maharaka tsara kosa ny zavamisy eny ary manao tatitra amin'ny lehibeny izay hitany. Niaraka tamin'ny mpitolona izy raha nankeny Anosy, ary toy ny mpitolona rehetra ihany. Ny miaramila nandrava ny tolona no nitifitra io polisy ao amin'ny renseignement generaux io. Tonga teny Anosy ny mpitolona dia nipetraka soa aman-tsara tsy nanao na inona na inona (raha ny hita tamin'ny vaovaon'ny tvplus sy ny matv no ilazako azy). Raha iny nipetraka iny ny olona dia avy tampoka ny miaramila sy ny zandary tanaty kamiao 4 raha vitsy indrindra nandrava tamin'ny tifitra variraraka sy ny toraka baomba mpandatsa-dranomaso. Teo ny olona vao nisahotaka. Tsy mbola nisy fandoroana na fanimbana zavatra mihitsy nialoha io tifitifitra nataon'ny miaramila sy ny zandary io. Fa tsy azo fehezina intsony kosa ny olona rehefa notifirinao sy nanaovanao herisetra izy. Ataoko fa nialaina ihany ny nanao izay fanampim-baovao ampitaina aminareo izay.



 

Miditra dingana faharoa ny hetsika fitsipahana ny fanonganam-panjakana

2009-04-18 @ 21:56 in Politika

Hiezaka mandrakariva aho ny hanafohy araka izay tratra ny zavatra soratana etoana. Araka ny hita taratra tokoa dia miditra amin'ny dingana faharoa tokoa ny hetsika fitsipahana ny fanonganam-panjakana sy ny famerenana ny ara-dalàna eto Antananarivo. Somary mampihomehy ihany ny toe-draharaha raha mahita ny fomba filazan'ny sasany. Misy dia misy tokoa ny sorena amin'ity hetsika eny Ambohijatovo ity. Samy manana ny sainy moa ka tsy anomezako ny tsiny ny sasany loatra.

Nanaraka ny dia nataon'ny vehivavy 'mpankasitraka ny ara-dalàna' nanao sit-in teo anoloan'ny HCC Ambohidahy aho tamin'ny alakamisy 16 avrily 2009. Tena nahafinaritra ny nijery azy ireo tamin'ny akanjo fotsy. Ny hitako aloha no ambarako fa tsy mijery izay lazain'ny olona hafa any aho. Feno tsara ny arabe manomboka eo anoloan'ny 'alliance française' taloha sy ambadiky ny pergola Antaninarenina mandra-pahatonga ery anoloan'ny tohatohabato miakatra mankany amin'ny foiben'ny arema taloha sy ny foiben'ny PSD lasa PSM ary lasa tranon'ny Minisitera iny. Tokony ho naharitra ora iray sy sasany teo no nipetrahan'ny dry zareo teo amin'io toerana io. Nihira hiram-pivavahana ry zareo nandritra ny fipetrahana teny. Avy eo moa dia hitako avy any i Manandafy (izay notendrena ampahibemaso ho praiminisitra afaka ora roa taty aoriana) sy Olivier Rakotovazaha narahina Komandà sy Kolonely manao beret maintso niala avy tao anaty fiara iray. Nanofahofa tanana moa izy taorian'izay ary noraisin'ny vehivavy tao anatin'ny horaka ihany koa.

Araka ny tsilia-tsofina, ny tena nanaovana io sit-in teo anoloan'ny HCC io dia ny hakan'ny mpikambana ao amin'ny SADC sary ny vehivavy miaraka amin'ny voninkazo ka hampita ny sary any amin'izay tiany handefasana azy any (mety ho tahaka izany ihany koa ny niafaran'ny fandehanan'ny mpanao fihetsiketsehana teny Anoloan'ny Hotel Carlton Anosy androany sabotsy 18 avrily 2009 iny ary nahavoriana olona maro tokoa). Ny tena nahavariana tamin'ity tranga androany maraina teny Anosy ity dia ny fotoana nahatongavan'ireo mpitandro ny filaminana izay maifanakaiky amin'ny nahatongavan'ny masoivoho frantsay, izay tsy fantatra na efa nanoloatra ny taratasy maha-masoivoho azy na tsia aloha hatramin'izao, ary hiteraha ahiahy amin'ny olona mandrakariva.

Raha mamaky ny gazety isika dia efa tamin'ny zoma 10 avrily 2009 no efa nanendrena ny Praiminisitra Manandafy Rakotonirina. Hitantsika anefa fa ny alakamisy 16 avrily 2009 vao novakiana ampahibemaso io fanendrena nataon'ny filoha Ravalomanana io. Midika izany raha ny tokony ho izy fa efa namakafaka lalina ny amin'izay tokony hatao sy tokony hotandremana ny mpitarika ny hetsika vao namoaka iny taratasim-panendrena iny. Azo lazaina fa anisan'ny betsaka indrindra hatramin'izay ny olona tafavory teny Ambohijatovo tamin'io andron'ny alakamisy io satria dia tsy azo nipetrahana intsony ny kainja fa samy nitsangana nifanety ny olona rehetra teny anoloan'ny sehatra. marihina mandrakaria ho anareo izany tsy manatrimaso fa misy olona ihany koa, ary tsy vitsy, nomihaino ny kabary aty ambadiky ny sehatra aty ary mety mahatratra ny atsasaky ny olona  any anoloan'ny sehatra any aza.

Ny mampisalasala ahy dia ny nahasahian'i Manandafy niteny fa eny amin'ny Lapan'Andafiavaratra izy no handray ny masoivoho sy ny mpandraharaha ny ampitso zoma 17 avrily 2009. Nahagaga ihany io ka nahatonga ny eritreritra hoe efa an'ny mpanaraka ny ara-dalàna ve izany ny ao amin'ny OTME : Office de Transmission Militaire de l'Etat izay karazany miambina io tranom-bakoka io? Ny ampitso tokoa moa dia tena zandary sy miaramila be dia be tokoa no niambina ny toerana teny ka tsy nahafanahana nankeny. Efa nieritreritra mihitsy izahay tamin'io hoe hanafika ny any Andafivaratra izany ny ao amin'ny Capsat nefa tsy dia nahitana izany loatra moa. Mampanontany tena ihany noho izany ny antony nilazana mialoha ny toerana Andafiavaratra raha tsy azo akory ny tena nefa nitombo ny hagagako rehefa nahita ny filazana any amin'ny tranonkala hafa aho hoe "karakaraina fatratra handraisana an'i Manandafy ny eny Andafiavaratra hatry ny omaly (zoma)". Eo amin'ny sehatra ara-miaramila eto Madagasikara moa dia misy hatrany ny fanasavoritahana ny zava-misy mba tsy ahafahan'ny hafa mahafantatra izay tena paik'ady kobonina. Inona tokoa moa izany no tena nokendren'i Manandafy sy ny tariny tamin'ny fitenenana io toerana io?

Na izany na tsy izany dia nahavariana tokoa ny nahita ny karazana fisavoritahan'ny mpitandro ny filaminana ny andron'ny Zoma. Niteny manko ny Praiminisitry ny 'mpamerina ho amin'ny ara-dalàna' fa haterina any amin'ny toeram-piasany ny depiote sy ny senatera', ary dia be dia be ihany koa ny mpitandro ny filaminana nivezivezy nanerana an'iny Tsimbazaza iny. Tsy nametra fotoana na oviana na oviana anefa ny Praiminisitra raha nilaza izany. Hitantsika any amin'ny tranonkala hafa angamba ilay filazana nataon'ny HCC hoe tsy foana ny antenimiera roa tonta satria tsy nisy lalàna na fehezan-dalàna nametraka izany, noho izany dia mbola miasa ara-dalàna ireo antenimiera roa tonta ireo... namaly moa ny minsitry ny fitsarana HAT fa efa nesorina tamin'ny asany avokoa ireo mpikambana ao amin'ny HCC ireo. Midika izany fa narodan'ny HCC avokoa ny andrim-panjakana ara-dalàna rehetra teto Madagasikara. Fahadisoana lehibe izany nataony izany, matoa niezaka ny Praminisitra hamerina amin'ny asany ny depiote sy ny senatera dia ny ahafahany mahazo fankatoavana haingana amin'ny sehatra iraisam-pirenena... izay fihetsika izay no tsy mety eken'ny mpanongam-panjakana... nefa raha nanaiky ny mbola nijoroan'ireo izy dia mety ho haingana kokoa ny nahazoany fankatoavana amin'izay sehatra iraisam-pirenena izay. Fambara ihany koa izay fa mahay ny sehatra iraisam-pirenena tsara Manandafy sy ny mpitolona raha miezaka hanome lanja ireo depiote sy senatera naongan'ny HAT ireo. Raha mba takatry ny HAT manko izany...

Faramparany sahady, androany sabotsy 18 avrily 2009 moa no nandehanan'ny PHAT indray tany Toamasina. Efa nisy ihany moa ny nanamarika ny famoriana olona nataon'ny sasany ny zoma 17 avrily 2009 teny anoloan'ny tahaka Rarihasina (ex-rené depui). Gaga aho raha niala nialoha teny Ambohijatovo noho ny asa tsy maintsy vonjena, ka nandalo teo amin'io toerana voalaza io sy teny amin'ny kianjan'ny 13 mey nadiodio tanteraka teny fa tsy nahitana ireo mpitoratoraka ny 'mpanaraka ny ara-dalàna' nefa  ireny ankizy mpisisika mangataka aminao izay mandalo eny, sy tsy nahitana loatra ireny atahorana hanendaka ireny mihitsy tamin'ireo toerana ireo androany. Dia lasa ny saiko nanao hoe nentin'ny Jeneraly Alain Ramaroson tany Toamasina daholo angamba izy ireny mba hahita ranomasina sy ho ireo mafana fo anoloan'ny sehatra fikabariana indrindra any ary higidraka amin'izay olona mety ho sahisahy manaratsy an'i Andry Rajoelina any. Teo aho vao niaiky ihany koa fa mety homarina ihany ny filazan'ny solontenan'ny tany sambava nankaty Antananarivo hoe nandritra ny fandalovan'ny PHAT tany iny dia tena nahery dia nahery ny fandrobana sy ny fanendahana ary ny fampihorohoroana tany...

Farany, olona maromaro mihitsy no nilaza tamiko fa nandritra ny fodian'ny olona avy eny Ambohijatovo (ireo ramatoa lehibe maro dia maro angamba efa retirety tao amin'ny orinasa tiko ao raha ny fihevitry ny HAT no heverina) fa dia nihogahoga ny mpivarotra amoron-dalana hoe 'Aiza izao izay dada eo? aiza izao izay dada eo?' dia narahin'ny teny hoe 'hohanin'ny fozaorana i tenisany amin'ny alarobia izao'. Amin'ny alarobia manko no niteny i Alain Ramaroson fa hamory ny mpanohana ny 'tetezamita' rehetra ho eny Ambohijatovo. Angamba tsara miteny mialoha ny ny mpanao fihetsiketsehana eto Ambohijatovo hoe raha vao mandray an'Ambohijatovo ianareo dia horaisinay ny kianaj'ny 13 mey hihetsiketsehanay, inona re no hataon'ny jeneraly Alain Ramaroson? izaho mieritreritra hoe aleo entaina ho tonga maro dia maro ny rehetra amin'io alarobia io dia ho hita eo izay ataony e! handefitra lava eo ve? afaka mampivory ny mpanohana azy eo amin'ny kianjan'ny 13 mey anie ry zareo sady tsy hohelingelenin'ny mpitandro ny filaminana mihitsy e!



sabotsy 18 avrily 2009 amin'ny 23: 56

Fanakorontanana avy ao ivelany sy anatin'ny tolona hamerenana ny ara-dalàna

2009-04-14 @ 23:02 in Politika

Tsy atao ho olana mihitsy na dia mety ho tsy fantatry ny haino aman-jery ary gazety avy any ivelany rehetra any ity tolona am-pilaminana ity, na dia mety ho lesoka lehibe aza izany. Izaho kosa hitantara mandrakariva ho an'ny Malagasy sy ny mahay teny malagasy manerantany ny tsikaritra sy ny fantina amin'ity tolona ity na misy ny mankasitraka na tsy misy. Satria manko tsy manao fandrobana tsy mitarika gidragidra ny mpitolona ka milamina loatra dia tsy hitan'ny gazety vahiny loatra izay lazaina momba azy. Azo heverina izany raha ampitahaina ny tolona indroa misesy nefa mifanohitra teto Madagasikara tamin'ity taona 2009 ity fa tena tao anatin'ny paik'adin'ny tolon'ny laoranjy mihitsy ny nisian'ny korontana sy ny dorotrano ary fandrobana isan-karazany mba hitodihan'ny mason'izao tontolo izao ho aty Madagasikara. Tena talentany tokoa ilay serasera!


Fa inona moa ny fiantraikan'ny tolon'ny laoranjy mivantana eo amin'ny fiainana andavanandro amin'izao fotoana izao?

Raha miresaka tolon'ny laoranjy aho eto dia samy ao daholo na ny tolon'ny mpanendaka na ny tolon'ny miaramila. Izany tsy manakana velively ny fisian'olo-tsotra nitolona tamin'ny fony na/sy nitolona ho amin'ny tombotsoany tao anatin'ity tolon'ny laoranjy ity saingy takon'iretsy sarangan'olona hafa iretsy ny tolony mitaky fanovana mpitondra teto Madagasikara. Eo amin'ny mpanendaka aloha, tena manjakazaka tokoa ry zalahy manerana an'Ambodifilao, Soarano, Behoririka iny. Fotoan-dehibe nifankafantaran-dry zalahy sy nahafahany nivondrona manko ny tolona natao nandritra ny telovolana voalohany iny. Mora kokoa noho izany ny asany satria eo ny fifanampian'ny samy olon-dratsy. Matahotra ny hijanona ela amin'ny fiantsonana natokana ho azy avokoa noho izany ny fiara fitaterana manan-jo ho amin'izany ary misy ny matahotra na dia ny handalo eny fotsiny aza.  Tsy ny anaty fiara ihany no lasibatra fa na dia ny mpandeha an-tongotra tsotra ihany koa aza. Isika izay efa nandalo teto Antananarivo dia mahafantatra tsara fa ireo toerana voalazako ireo no toerana afovoan-tanàna be olona mpandalo indrindra. Tranga iray amotehana tanteraka an'Antananarivo ho mahalao monina izany tranga lazaiko izany indrindra fa toa mikimpy eo anoloan'ny tsy rariny mahazo ny mponina izany ny mpitandro ny filaminana.  

Mifanindran-dalana amin'izany, gaboraraka tanteraka ny fifamoivoizana sy ny tsena eto Antananarivo (tsy afaka ny hilaza ny manerana an'i Madagasikara na oviana na oviana kosa aho). Efa anaty lalana tanteraka ny mpivarotra teo ho eo, ary dia maro ny arabe tokony ho lalan-droa no zara raha mahatafiditra laharam-piara tokana mikisaka tsimoramora fandrao mahadona fiara na olona hafa. Raha tratra aorian'ny sarety na posy dia manaraka ny halakin'ireny sarety sy posy ireny fa tsy misy fahafaha-misongona na oviana na oviana; ny eny Ambodin'isotry sy Behoririka miala an'i Soarano aza moa dia efa tsy azo ifanenana intsony ny arabe malalaka tokony hahatafiditra lahara-manjohy telo. Mazava loatra fa mampirongatra lonilony anatin'ny olona maika na mamonjy fotoana, na tsy nanampo izay miandry azy eny an-dalana izany tranga izany. Ny sisin-dalana tokony handehanan'ny mpandeha an-tongotra anefa efa feno ny entan'ny mpivarotra avokoa. Tsy sahy mandray andraikitra amin'izao toe-javatra izao mihitsy ny tompon'andraikitry ny Kaominina noho ny tahotra fandrao mivadika manampy isa ny eny Ambohijatovo ihany koa ireo olona ireo. Ny tahotra tahaka izany indrindra no fahadisoana nataon'ny PDS Hery Rafalimanana nialoha ny fifidianana ho Ben'ny tanàna tamin'ny 2007, vao maika maharesy lahatra ny tsy tia gaboraraka hanohy ny tolona moa ny tranga tahaka izao.

Fa dia manao ny tsy rariny ihany koa ny mpitandro filaminana sasany, tsy voafehy, amin'ny fampihorohoroana olona tiana handositra sy hiala eto Madagasikara. Aza mba fantatra hoe havan'ny mpitondra na manana fifandraisana amin'ny mpitondra fa dia anaovany sotasota mihitsy. Misy ny manamboninahitra tsy voafehy fa malaza amin'ny "herimpo mahavalalanina" ny maro tahaka ny fisavana ny fiaran'ny tiko efa voasoratra tany aloha tany, ny fitsidihana ny tranon'ny Lehiben'ny Etamazaoro teo aloha, ny fitsidihana ny rafozan'ny filoham-pirenena sy ny hafa tsy voatanisa sy tsy fantatra intsony. Efa nanana laza ratsy manerantany ohatra ny fisavana nataon'ny miaramila (fa tsy ny polisy na zandary tompoko) ny orinasa QMM hampihemotra izay mety ho mpandraharaha manerantany saiky liana amin'ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Na izany aza dia misy ihany koa ny tranga tsy nahazatra, teto an-tanàna tamin'iny herinandro lasa iny dia tonga vao maraina dia maraina (tamin'ny 5 ora tany ho any) ireto polisy milaza hisambotra olona efa manana ny lazany ihany, ary tsy "Ra-Bidon" intsony no notadiavina fa ... Misy afera mafana izany nataon'ity mpanentana mafana fo TGV teto amin'ity tanàna ity . Mpitandro ny filaminana nameno fiara mazda (rehefa teny hoe mazda eto amin'ny tanàna dia ireo manana endrika buxi no tiana lazaina amin'izany fa tsy ny fiaran'olo-tsotra tsy akory) iray sy pick up double cabine (fiara malaza fitondran'ny mpitandro ny filaminana ankehitriny tsy hay hoe tamin'ny fomba ahoana no nahazoan'izy ireo ireny) no tonga teo, izany hoe tokony ho 20 isa tany ho any, nefa dia olona iray no saiky hosamborina. Nofefeny tsy hivoha avokoa ny tranon'ny olona manodidina rehetra, indrindra fa ny mpivarotra, nandondona fotsiny no nataony sy niantsoantso dia lasa rehefa tokony ho tamin'ny enina ora latsaka fahefany tany ho any. Rehefa lasa anefa izy ireo dia nivoaka tao an-tranony ilay rangahy notadiavina. Tsy azon'ny olona intsony ny fandehan-javatra avy eo hoe inona no nanakotabana olona vao maraina sa miala sirika amin'ny lehibe naniraka fotsiny?


Manao ahoana kosa ny fandehan'ny tolona hamerenana ny ara-dalàna sy hitsipahana ny fanjakana nalaina an-keriny?

Mazava loatra fa misy avy hatrany ny tsy mankasitraka ny fihoaram-pefy sahady ataon'ny milaza ny tenany ho mpitondra ankehitriny. Ny fomba nanatanterahana ny fametrahana ny "PHAT" tahaka ny filoha voafidim-bahoaka tetsy Mahamasina tamin'ny 21 marsa 2009 dia efa fihoaram-pefy sahady; notoherina avy hatrany tamin'iny fotoana iny. Fa toa niara-niditra taminy tamin'iny fotoana iny ihany koa ny gaboraraka rehetra, araka ny vao nosoratana. Tsy lavorary velively ny zavanisy vao niainana volana maromaro lasa izay saingy efa tsy azo leferina mihitsy kosa ny fampihorohoroana lasa andavanandrom-piainan'ny olona. Mitaky amin'ny fomba milamina sy tsy manao herisetra noho izany ny mpitolona andiany faharoa, mifanohitra kosa amin'iretsy mpitolon'ny laoranjy. Noho izany indrindra no mahatonga ny tolona ho tsy mahaliana ny vaovaon'ny any ivelan'i Madagasikara. Ny mpiasa tsy miankina ohatra dia lasa manokana fotoana hankanesana eny Ambohijatovo, ka amin'ny atoandro ihany no ahafahany manatanteraka izany, sarotra manko ny hitokona fa tsy ny lehiben'ny tena ao ampiasana tsinona no toherina. Mazava loatra fa tsy manana fotoana hankanesana eny isan'andro ny olona tahaka izany. Raha mba afaka nankeny aho tao ho ao dia nahatsikaritra fa vitsy amin'ny olona mpankeny Ambohijatovo no mpankeny isan'andro. Ny mahavariana ahy kosa dia ny fahamaroan'ny fiara miantsona eo Ambohijatovo vao afaka ny lozoka Ambanidia (tunnel). Feno avokoa rehefa toerana azo ametrahana fiara rehetra nefa tsy manelingelina ny fifamoioizan'ny fiara. Efa azo itarafana ny sokajin'olona mitolona ihany koa izany, fa ny sokajy hatrany ambany ka hatrany ambony eo amin'ny fiaraha-monina mihitsy no mitolona avokoa ary izany no tsy mahamendrika loatra ny fanivaivana sarangan'olona ataon'ny mpiara-mitolona sasany. Tsara kosa angamba ny mifanitsy amin'iny toe-javatra lasa mahamenatra iny ary efa malaza any amin'ny dinika samihafa any moa.

Rehefa nivadibadika ny fotoana ka nitolona (fa tsy mbola tafiditra amin'ny fitokonana aloha) hatrany ny olona, dia lasa fampitam-baovao mivantana ny tranga tsy mba tantarain'ny gazety loatra ny tao Ambohijatovo. Ny an'ny gazety mety noho ny tahotra satria ireo zavatra isan-karazany tsy mety  ataon'ny milaza ny tenany ho mpitondra no mivoraboraka ao avokoa. Na tiandry zareo na tsy tian-dry zareo, tokony horaisiny ho aro-fanina hialana amin'ny laza ratsy ny fihainoana ny kabary eny Ambohijatovo... saingy noho ny tsy fahafaha-manao eo amin'ny vola indrindra indrindra, mba hamalifaliana ny olona, dia voatery mandika lalàna mandrakariva ry zareo. Tsy mahagaga raha mitady ny fomba rehetra hampanginana ny mpitabataba eo Ambohijatovo ry zareo. Voalohany tamin'izany ny fanomezana alalana ny "gadra politika" hisolo toerana ny mpitolona... efa notantaraina teto ny amin'iny fa tsy nahomby satria nanjary ny kianjan'ny 13 mey no notadiavin'ny mpitolona, fantatra ihany fa mampatahotra ny fitondram-panjakana mifandimby rehetra (tsy anavahana) izany fihetsikatsehana eny amin'ny kianjan'ny 13 mey izany. Manginy fotsiny ny fisotasotana nataon'ny mpitandro ny filaminana niaraka tamin'ny andian'olona mpanao barofo tamin'ny mpitolona nidina avy eny Ambohijatovo mandalo ny kianjan'ny 13 mey. Karazany nahomby indray moa iny tsy fampandalovana ny olona ny kianjan'ny 13 mey iny satria dia efa nohalavirina toy ny fasambao mihitsy ny mandalo eny amin'izao fotoana izao.


Nandia fotoan-tsarotra ny tolona ho amin'ny ara-dalàna

Efa notantaraiko teto ny fisamatsamahana nisy teo amin'ny mpitarika ny tolona tamin'ny fiandohan'ity volana aprily ity. Efa nisy nitatitra ny fifamaliana mivantana an-kabary teny an-tsehatra tamin'ny zoma 10 aprily 2009 lasa teo. Variana mihitsy ny mpandinika fa tena nisy ny fifanoherana mivantana teo amin'ny mpandaha-teny samihafa ka nahatonga ny eritreritra hoe mba nisy fifandaminana sy fiaraha-midinika ihany ve ry zareo ireto sa dia samy miteny izay tiany tenenina fotsiny? Mba azo novonjena ihany aloha izay voavonjy saingy nisy ny nahay nanararaotra iny toe-javatra iny. Noheveriko ihany fa paik'ady hahafantarana izay tian'ny mpitolona no natao ny nampisy ny fifanoheran-kevitra nefa mety hampihemotra ny olona izany, ary eto no tena ahatarafana ny fahaizan'ny mpitarika ny tolon'ny laoranjy nandamina ny tolona nataony na dia nisy iray farafaharatsiny aza nahalala fa hiafara amin'ny fidiran'ny miaramila an-tsehatra ihany ny tolony. Ny teto voatery nanontaniana tsara mihitsy ny praograma manaraka hoe asiana fivoriana ve ny sabotsy dia mamaly amin'ny alalan'ny fihetsika ny mpanatrika, nekena aloha iny. Nanontaniana indray raha hivory ny alahady, nisy ny nanaiky... naverina ny fanontaniana sady nampiana hoe raha manaiky tokony ho tonga mihitsy fa dia betsaka kokoa ny nandà, ary sahala amin'izany ihany koa ny alatsinainy. Nanomboka teto dia tsy nandray fitenenana intsony Atoa Raharinaivo Andrianatoandro satria toy ny mitamatama rehefa miteny. Izay tena mahay miteny sy miantsanantsana sisa no mandray fitenenana faramparany.

Tahaka ny ahoana ilay fahaizana nanararaotra tanatin'ny tolona? hita ihany fa manara-maso akaiky ity tolona ity ny ao amin'ny tetezamita ankehitriny ary miasa mafy ny handrodana araka izay azo atao. Niely manodidina ny vavahady fidirana mankao Ambohijatovo ny biletà MFM toy ny ilazana ny hampitodika ny olona ho any amin'ity antoko ity, sy hiomana sahady ny hifidy MFM amin'ny fifidianana ho filohan'ny repoblika manaraka. Novakian'ny mpanentana malaza eo an-kianja avy amin'ny MFM (Constant Raveloson) bantsilana ity tetika hanakorontanana ny tolona mbola iarahana ity ary notondroiny mivantana fa ny ao amin'ny fiadidiana ny tanàna no manao azy. Dia nisy koa ny trakitra mamelively an-dRaharinaivo Andrianatoandro araka ny nolazain'ny mpikabary saingy tsy hitako moa ny amin'izany. Dia iny niarahan'ny rehetra nahita iny ihany koa ny fanasamatsamahana ny ao amin'ny MFM ihany izay mitaky amin'ny alalan'ny haino aman-jery ny hanalana an'i Manandafy Rakotonirina ho tsy filohan'ity antoko ity intsony. Anisan'ny hery lehibe amin'ity tolona ity manko ny fanentanana ataon'ny solontenan'ny MFM hatramin'ny sabotsy 21 marsa 2009 niandohan'ity tolona na dia tsy fantatr'olona aza ny niteny tamin'ny anaran'ny MFM tamin'iny fotoana iny. Tanjona nokendrena noho izany ny hampiparitaka ny tolona saingy "vita vakisiny karazany hafa indray isika teto androany" hoy ny mpanentana.


Mpanao bodongerona ve ny mpitolona ho amin'ny ara-dalàna?

Tsy maintsy resahina ity toe-javatra iray ity. Samy nahafantatra avokoa ny rehetra fa hatramin'ny alakamisy masina ihany ny fahazoan-dalana azon'ny mpandala ny ara-dalàna mampiasa ny kianjan'ny demaokrasia. Dia niandry avokoa ny rehetra hoe ho sahy hanohy ny tolona tsy nahazo alalana ve ny mpitolona, ary dia naseho mihitsy moa fa dia hotohizana eo an-kianja ihany izany. Tsy fantatra sady tsy noraharahiana izay hikarakara ny fotoana manaraka satria fitadiavana antony no ataon'ny ao amin'ny fiadidiana ny tanàna mba tsy hitohizan'ny tolona intsony. Hay moa ka dia nolazaina fa ny sembana hoe no saiky hampiasa ny kianja. Ny mpandinika anefa dia mahatsapa tsara fa tsy azon'olon-kafa idikidirana mihitsy aloha izao ny kainjan'ny  demaokrasia raha tsy te-hiharan'ny fahatezeran'olona maro dia maro efa mahatratra an'arivony. Ny hafa izay mieritreritra ny ho eo ve dia tsy hahatsapa avy hatrany fa toy ny fanembatsembanana no ataon'izay fikambanana hafa milaza fa mila ihany koa io kianja io amin'izao vanim-potoana izao? Efa mivandravandra koa ankehitriny ny paik'adin'ny eo amin'ny fiadidiana ny tanàna amin'izao fotoana izao.

Mampiharihary ny fikoropahana ataon'izay milaza ny tenany ho mpitondra ankehitriny ny fandraisana fanapahan-kevitra hafa indray hitadiavana hampitsahatra ny tolona. Nolazaina indray manko fa ho fandaminana dia hatao hikarakarana sy hanadiovana ny kianja ny andron'ny alatsinany sy ny talata ka tsy tokony idiran'i na iza na iza. Ny alarobia alakamisy ary zoma kosa no hatao andro fanehoan-kevitra, ary ny sabotsy sy ny alahady kosa no hatokana hanatontosana ny resaka zavakanto sy kolontsaina manokana ary ireo rehetra ireo dia tsy maintsy mahazo alalana avy amin'ny fiadidiana ny tanàna hatrany. Tahotra no dikan'izany ary nivoitra izany raha tsy ny Ben'ny tanàna notendrena no nanasonia ity fanapahan-kevitra ity fa ny tale misahana ny zavakanto sy ny tanora ao amin'ny kaominina. Efa raiki-tapisaka eo amin'ny Malagasy eto Antananarivo aloha ny fanaovana ny tolona ho isan'andro afa-tsy ny alahady sy ny andro fety, koa mazava loatra fa toy ny fanapahan-kevitra tsy misy dikany fa entina hilazana fanaovana bodongerona fotsiny eo imason'ny hafa ny zavatra sahala amin'izao rehefa tsy voafaritra mialoha tsy misy fanovana antenantenany ny fepetra rehetra hanatontosana ny fanehoan-kevitra. Vao maika manome vahana ny hetsika ny fametrahana karazana hisatra atao tahaka itony. Mbola fahadisoan'izay nametraka azy indray.

Etsy ankilan'izany, velona ny menomenona any amin'ireo nitolona tsy nahazo anjara seza na aiza na aiza. Eo ohatra ny vondron'olona tsy fantatro loatra; fa asa na fantatr'ireo mpiara-mitolona aminy na tsia aloha. Mampiantso mpanao gazety mihitsy hilaza ny alahelony. Ny fitakiana nohenoina aloha dia ny fampiatoana ny asan'ny Ben'ny faritra rehetra nefa tsy misy voatendry aloha ny solony amin'izao fotoana izao fa vonjimaika ny lefitry ny teo aloha ihany no mandray ny andraikitr'izy ireo. Dia mihabetsaka mandrakariva noho izany ny fahabangan-toerana amin'izao fotoana izao. Dia nisy ihany koa ny filazana ho fampihavanana ny ambany tanàna rehetra, araka ny voalaza, ka mba hivondrona ry zareo fa tsy hanaiky hatao fitaovana politika hatrany. Teny amin'ny fiangonana katolika Antohomadinika (ND de Rosaire) ny toerana nolazaina hanaovana ny fampihavanana ary natao teo ambany fiarovan-dRtoa Nadine Ramaroson izany. Mitaky toerana ihany koa izy ireto noho ny fahatsapany fa ry zareo no vato nifaharan'ny tolona teo aloha. Azo noheverina moa fa nandamoka ihany ity fampihavanana ity satria tsy nanaiky izany velively ireo nanana havana maty na naratra. Ny nahatsikaiky ihany dia ny filazan-dry zareo solontena niteny tamin'ny haino aman-jery fa vitandry zareo ny mandrodana ary raha ilaina dia mbola vitany ihany koa ny manongana.


Fa aiza ho aiza ny fivoarana hita teo amin'ny tolona?

Efa re na novakian'ny mpiserasera ihany angamba fa efa mandeha izao ny telemada manampy isa ny radiomada. Ity radio ity moa dia olona iray ihany no mba re miteny ao aminy fa tsindraindray ihany no mba misy feombavy iray miteny. Tsy midika velively izany fa vitsy ry zareo no mamelona ny radio na tele mada fa ireo ihany no asaina miteny. Misy dia misy moa ny manakiana hoe maninona raha mba asiana fampidirana antso an-tsofindavitra ho fifanentanan'ny mpihaino saingy rehefa jerena akaiky dia tsy mety loatra ny manao izany. Azo ikarohana ny foibem-pandefasana ny onjam-peo sy sary manko ny antso an-tsofindavitra ka aleo ihany mitandrina ny amin'izany. Seha-pifaneraserana hafa no azo atao fa tsy tsara loatra aloha ny antso an-tsofindavitra amin'izao fotoana izao. Efa hita rahateo ny fivoaran'ny radio mada satria raha "mono" ny feon'ny radio hatramin'izay telo herinandro iverenany izany dia nivoatra ho "stereo" kosa izy nanomboka omaly talata 14 avrily 2009. Mazava loatra fa tsy misy dokambarotra ankoatra ny fanentanana ho eny an-kianja ho an'ireo haino aman-jery voatonona ireo.

Fivoarana hita ihany koa ny fielezan'ny karazan-gazety eny an-kianja fitolomana. Misy dia misy ny maka endrika gazety saingy hita ny ao anatiny fa fampielezan-kevitra amin'ny alalan'ny soratra sy sary ihany no ao anatiny, ny gazety "vaovao" no hita ho nivoaka tamina mpanonta matihanina, raha ny endriny no jerena (tsy nahazo aho fa tara lava), fa ny hafa maro kosa dia trakitra takelaka roa, anoloana sy ambadika amin'ny refin-taratasy A4 ihany sady mba mitady ny hanaovana dika mitovy aminy ho an'izay manana fahafahana manao izany sady manaparitaka azy ihany koa. Tahaka izany ny hitako fa tsy ahy tahaka ny "gazety" :"gazetin'i dada". Ireo rehetra ireo dia tsy misy andoavam-bola fa maimai-poana avokoa. Ity "gazety" nolazaiko farany ity dia nahasahy niseho an-tsary (tahaka ahy amin'ity bolongana ity) ny "tonia" ary ny mahavariana dia fantatro endrika tsara ranamana io nefa dia tsy mbola nifanena an-kainja mihitsy aloha izahay.

Ankoatra izay dia ady mafy ny handresen-dahatra mandrakariva ny fiaraha-monina iraisampirenena soloan'ny masoivoho tena mba tsy hanaiky velively ity fitondrana tetezamita ity. Miditra sehatra hafa mihitsy ny tolona satria iangaviana mba tsy hanome vola "noho ny lafiny mahaolona sy famonjena aina" mihitsy ihany koa ry zareo satria fantatra fa izay no paika ataon'ny Frantsay sy ny tetezamita amin'izao fotoana izao hanampiana ny fanjakana nalaina tamin-kery. Amanarivoarivo dôlara na Eorô hatrany manko ny vola azo amin'ireny nefa azo heverina fa tsy ho tonga any amin'izay kendrena hampiasana ny vola araka ny nangatahana azy akory ireny fanampiana ireny fa hampiodinana ny fandehan-draharaha sy hanomezana karama ny mpitondra fotsiny. Mijere tokoa isika fa toa nitombo vetivety teo ny fangataham-panampiana ho an'i Madagasikara ary mitady hahomby amin'ity paik'ady ity ny Frantsay indrindra indrindra, ry zareo manko no tena mikofoka mafy any amin'ny fikambanana iraisam-pirenena any. Mody sarotsaronana amin'ny fandalana ny mahaolona nefa hita fa hanampiana tosika ny mpanongam-panjakana fotsiny.

Dia ahoana ity hoe hiverina amin'ny Asabotsy ity i "dada" ity? tsy hitako loatra izay antony nitabatabana iny ankoatra ny famelombelomana indray ny tolona tsy hita mitombo tsy hita mihena io angaha. Mba nahateny aza ilay nikabary izany tamin'ity fotoana ity hoe: "raha sitrapon'Andriamanitra" saingy sarona tao anatin'ny horaka moa io fiteny io. Raha izaho manokana naleo napetraka tamin'ny fitenenana hoe "ho avy tsy ho ela" ihany ny teny satria karazana fanimbana tolona ihany ny fitenenana zavatra sahala amin'ireny izay lasa kobaka am-bava rehefa tsy tontosa. Ny tena manahirana manko, ary karazany nahatsapa tena ihany ny lehilahy nilaza mialoha hoe "aleo ho an'ny namana mpanao politika ny kabary fa izaho tsy havanana loatra amin'ireny", dia izy no ahiahiana indrindra ho mpanimba ny tolona hatrao anatiny. Ny fanentanana hafa tena ampirisihana ny mpitolona moa dia ny hoe ho avy ny solontenan'ny SADC hijery indray ny zavamisy aty ka aleo isika mifanentana hahitan'izy ireo maso antsika.

Dia aleo hatreo indray fa averiko indray: raha hametraka hevitra ianao dia soraty anaty vakiraoka (brouillon, bloc-notes na notepad) aloha tsy ho very ny zavatra tianao hosoratana; vita izay vao ankotrihinao (actualiser na reload current page) ny takelaka vao mandika (copy and paste) ny nosoratanao eo amin'ny fanehoan-kevitra ianao. Dia apetrakao ihany koa ny solon'anaranao ary averinao eo anila ny marikisa voasoratra eo amin'ny farany dia alefanao amin'izay ny hevitrao. Lava loatra manko ny lahatsoratra ka mety tsy ho tafapetraka tsara ny hevitrao na lasa mahazo ilay soratra hoe: "tsy mahazo alalana hijery" mahasosotra antsika rehetra iny "ianao".




jentilisa 15 avrily 2009 amin'ny 01:03

Vahoaka tsy manaiky lembenana ireo

2009-04-09 @ 23:01 in Politika

Hita taratra mihitsy ny alakamisy masina 9 avrily 2009 fa manana ny lohany tsy azo ahodikodina mihitsy ireto vahoaka mitokona etsy Ambohijatovo ireto. Tsy afa-mibaiko azy mihitsy ny mpitarika hany ka tena sahirana mihitsy maminavina izay tena ao an-dohan'ny ireto olona ireto. Efa noheverina ihany omaly fa aroso aloha ny fotoana noho ny maha alakamisy masina ny fotoana indrindra saingy tsy tontosa izany fampandrosoana ny fotoana izany. Nahoana angaha?

Nisy ny rodobe notanterahin'ny vehivavy mpandala ny ara-dalàna miaraka amin'ny vadi-miaramila sy zandary ary polisy (aoka homarihina fa tsy tena maro ireo vadin'ny foloalindahy lazaina ireo fa ny vehivavy mpandala ny ara-dalàna no tena maro) hitetezana masoivoho samihafa eto Antananarivo saingy ny teny Andraharo, misy ny masoivohon'ny Firenena Mikambana ihany no tena naleha. Hitondra taratasy mitaky ny hamerenana ny ara-dalàna no atao amin'izany. Azo heverina fa lalan-davitra no vitan'ireto vehivavy ireto satria eo amin'ny tokotany malalaka ampitan'ny fiangonana Jesosy Mamonjy ny fotoana. Mahavariana ihany koa fa betsaka noho izay nampoizina ry zareo no nanatontosa ity rodobe ity. Betsaka ihany koa manko ny vehivavy no nieritreritra fa famoanoan-tena izany handeha hamakivaky tanàna izany indrindra fa be ny mpankahala te-hanendaka. Kanjo dia marina tokoa ilay ohabolana vaovao manao hoe ny mitabe tsy lanin'ny foza ary maro ny lehilahy no niaiky ity hetsika nataon'ny vehivavy ity ary nifanontany hoe ahoana kosa indray ny antsika lehilahy?

Tonga teny Andraharo, sadaikatra ny mpitandro ny filaminana satria vehivavy maro no manatrika ny tena. Olona milamina rahateo no mifanatrika amin'ny tena. Vehivavy mitafy akanjo fotsy ambony sy foloara fotsy rahateo ho mariky ny filaminana sy ny fandriampahalemana. Tsy mandeha irery koa ireo olona ireo fa misy manara-maso ary ny mpanao gazety koa tsy ambakan'izany. Tsy maintsy naterina tany ambaravaran'ny masoivoho ihany ny solontena na ny mpitondra tenin'ireto vehivavy ireto, tsy misy tsy vitan'ny fifampiresahana tokoa! dia raikitra indray ny dia hizotra ho eny amin'ny kianjan'Ambohijatovo. Dia niniana natao ny nandalo ny kianjan'ny 13 mey fa tsy nisy ny nanakatsakana ary dia nijery fotsiny ireo nahiana hanao fanakorontanana. Tsy nisy intsony ve ny vola nanakaramana ireo mpiambina ny kianjan'ny 13 mey amin'ny fomba rehetra, sa noho ireto mandalo ireto vehivavy miara-dia no tsy nikasihana azy ireo? Horakora-pifaliana tsy nisy tahaka izany moa no nandraisan'ny teny amin'ny kianjan'Ambohijatovo ireto vehivavy maherifo ireto ary na ny fanamafisam-peo aza dia takona tanteraka manoloana izany horaka tsy nifandrenesana nandritra ny minitra vitsivitsy izany. Efa ho amin'ny iray ora nokasaina hamaranana ny fotoana no nahatongavan'ireto vehivavy ireto sy hanombohan'ny fotoana amin'izay.

Nandritra izany fotoana izany kosa dia tsy nanaiky ny hanombohan'ny fotoana mihitsy ny olona niatrika teto Ambohijatovo raha tsy tonga aloha ireto vehivavy mandala ny ara-dalàna ireto. Saiky hatomboka tamin'ny ora nolazaina fa tsy neken'ny olona mihitsy, nanandrana hanomboka indray ora iray taty aoriana fa mbola fandavana mavaivay no nisetra ny mpitarika. Voatery nionona tamin'ny fanentanana madinidinika ny mpitarika efa vaka dia vaka... Midika izany fihetsika izany amiko fa saro-piaro amin'ny fiaraha-mientana ireto olona mitokona ireto ary heveriny ho adidy masina no nataon'ny vehivavy maherifo ka tsy mety kosa raha antenatenam-potoana vao miditra ry zareo ka hisy ny zavatra tsy ho arany. Feno hipoka toy ny tamin'ny nahamaro isa azy indrindra hatramin'izay indray ny kianjan'Ambohijatovo androany, farafaharatsiny nitovy isa tamin'ireo tonga tamin'ny 28 marsa 2009. Nandeha avy eo ny Hiram-pirenena andininy telo sy ny Madagasikara tanindrazanay andininy telo (miaraka amin'ny totohondry mivonkona miaramisandratra sy miaramidina toy ny manao famindra miaraka) ary ny fotoam-pivavahana izay tena voahaja tokoa (tsy nisy nisiotsioka na niresadresaka loatra). Ary dia nandeha ny kabary vitsivitsy izay nandehanan'ny antso am-pinday tampoka nataon'ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana nankasitraka ihany koa ny nataon'ny vehivavy tamin'ity alakamisy masina ity.

Hitamberina kely ny tamin'ny andro avy orana indray aho nefa dia mbola niatrika teto Ambohijatovo ihany ny olona. Be dia be tokoa ny elo ary dia nisy ihany koa ny fihetsika nahafinaritra nanaovana ny elo. Teo aloha ny nahofahofa toy ny fanao tamin'ny tanana ihany ary teo ihany koa fiarahamanodina ny elo toy ny tandrimo hany ka toy ny manao fety anaty orana izany avokoa ny olona. Tsy nampoizina ihany koa ny fahamaroan'ny olona tamin'iny fotoana iny ary izay no mety nandrisika ireto olona ireto ho avy maro ihany koa io alakamisy io. Ireo dia efa ampy ilazana fa na tsy misy aza ny mpitarika dia mahafantatra tsara ny ataony ny olona vory eto ary mahafantatra ihany koa ny tanjona nokendreny.

Tena nandrasan'ny maro ny fanendrena praiminisitra vaovao nefa moa dia iaraha-mahalala fa tsy nisy izany fanendrena izany. Nanao fampanantenana poak'aty ve ny mpitarika sa inona no nahatonga ny fanendrena tsy ho tontosa indray? Vakio indray mandeha izay nosoratako tamin'ny farany fa hoy aho hoe: "Ny dingana sarotra manaraka dia ny fanendrena izay ho praiminisitra, voakabary teny Ambohijatovo, fa hataon'ny filoha Ravalomanana amin'ity herinandro ity rehefa tsy hisy ny dinika eo amin'ny roa tonta". Soa ihany fa efa nosoratako ary dia avoitrako mazava tsara ny soratra manao hoe  "rehefa tsy hisy ny dinika eo amin'ny roa tonta". Eo no nisy tsy fahaizan'ny mpitarika niteny tamin'ny alakamisy masina, tsy hainy ny nampitamberina an-tsain'ny olona fa rehefa tsy misy ny dinika vao hatsagana ny praiminisitra vaovao, noho izany tokony hisy lanjany tsara ny tenin'ny mpitondra tenin'ny TIM hoe: "nanaiky hifampidinika ny ankilany". Efa voalaza tsara manko fa hitohy ny fifampidinihana eo amin'ny roa tonta ny Zoma 10 avrily 2009, noho izany tsy dia mahamaika indray ny hanendrena izany praiminisitry ny governemanta mandala ny ara-dalàna izany. Izay no fihevitry ny mpitarika ny hetsika amin'izao fotoana izao nefa mba tsara ihany ny hahalalan'ny mpitarika ny resaka sy teny ataon'ny olo-tsotra mpanaraka ity tolona hamerenana ny ara-dalàna hanjaka eto amin'ny firenena ity.

Eo amin'ny olona amin'ny ankapobeny dia heveriny fa fahadisoana ny mifampiraharaha amin'ny mpandrobam-pahefana sy mpampihorohoro. Efa izay ny fahadisoana nahazo ny filoha dia toa ikirizana ihany ny hanaovana fifampiraharahana. Tsotra ny takian'ny olona. Miverina amin'ny toerany ny andrim-panjakana nofoanana tamin'ity lazaina fa "tetezamita" ity, indrindra fa ny fahefan'ny filoham-pirenena izay nofidiam-bahoaka tamin'ny alalan'ny fifidianana. Tsy zakan'ny olona mihitsy ny mieritreritra hoe ho fanao rehefa misy ny tsy mankasitraka izay ataon'ny mpitondra ny mampiasa hery hanonganam-panjakana ka manitsakitsaka ankitsirano ny zon'ny mpifidy manerana ny nosy. Tsy te-hahalala ny olona fa izay ihany ny azy no takiany ary vonona ny hiaro ny tarigetrany ireo olona ireo ho anatra ho an'izay mitady hieritreritra fanonganam-panjakana eto Madagasikara any aoriana any. Izaho manokana dia mahita fa fisainana tena demaokratika mihitsy izany fomba fisainana izany ary mety tsy nampoizin'ny mpahay politika maro nihevitra ny hitondra ny vahoaka amin'ny sangany.

Dia ahoana indray ny amin'i Tabera Randriamanantsoa nolazaina fa nantsoin'ny filoham-pirenena ho praiminisitra. Tao amin'ny vaovao Tvplus ihany moa izy ity no tena nasongadina. Nilaza moa io lehilahy io fa tsy Ravalomanana mivantana no niantso azy fa ny mpitarika ny tolona teny amin'ny kianjan'ny demaokrasia no nifampiresaka taminy, nametraka fepetra izy fa mbola miandry ny faneken'ny filoha Ratsiraka sy ny filoha Zafy vao mety hiditra amin'izany ary tsy maintsy mitoetra ho PHAT ihany i Andry Rajoelina. Mbola vao resaka no natao nefa dia natatatata sahady ho karazana fanakorontanana ny sain'ny olona, ataon'ny tvplus, araka ny fijeriko azy.

Izay indray aloha no voasoratra, fa azo lazaina fa efa voarain'ny mpitarika ihany ny hafatra fa fepetra tsy azo ihodivirana ny famerenana ny ara-dalàna sy ny andrim-panjakana eken'ny lalàna vao mety hizotra ny fifampiresahana. Voamariko ihany koa fa tsy tena tsy azo ifampiresahana ny amin'ny hijanonan'ny HAT ny olona fa ny ara-dalàna mijoro indray ihany no tena takian'ny olona.


jentilisa zoma 10 avrily 2009 amin'ny 1:01

Tsy vahaolana ny miraviravy tanana!

2009-04-06 @ 23:06 in Politika

Misy ny manoratra any ho any hoe: "tsy vahaolana ny mikiry biby!" (le jusqu'au boutisme n'est pas une solution). Misy ny mamerimberina mandrakariva any amin'ny fampielezam-peo milaza ho mpanao famakafakana politika sy toe-karena ary sosialy any fa efa mihamilamina sy mihamiverina amin'ny laoniny ny fiainana andavanandron'olona. Lazainy fa toerana vitsivitsy kely tsy dia manao ahoana sisa no mbola miezaka ny manakorontana ny toe-draharaha eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Minia mijery ivelany araka izay azo atao izy ao anatin'izany famakafakana izany fa ny iniany tsy jerena dia toerana manan-danja eo amin'ny lafiny politika sy sosialy indrindra ireo toerana lazainy fa vitsy tsy dia manao ahoana ireo. Ny fivezivezen'ny olona eny an-dalana mihamaro sy ny fitohanan'ny fiarakodia manerana an'Antananarivo, izay lasa voninahitra indray fa tsy henatra noho ny tsy fahaiza-mandamina sy tsy fahaiza-mitsinjo ny fandaminana ny fifamoivoizana, no tiana asongadina mandrakariva. Minia tsy mijery izay any an-tranon'ny olona any izy mamelabelatra izay tiany tenenina. Izaho koa etsy andanin'izany tsy afaka mihambo ho mahalala izay any an-tokatranon'ny olona tsirairay any fa dia tery hilaza izay fantatro kosa.

Ny asanay mpiray tampo... mihapotika avokoa!

Tsy nahazo alalana tamin'ny rahalahiko aho manoratra izao zavatra izao. Telo mirahalahy izahay no mpiray tampo, tsy manana anabavy. Samy nanana ny asanay avokoa izahay. Tsy misy itovizany avokoa ireo asanay ireo ary samy manana ny lehibeny ihany koa. Ny iray dia (cadre) miasa amina orinasa malagasy manana ny lazany (efa hotononina hoe nanana ny lazany atsy ho atsy raha tsy misy ny fiovana). Ny vadiny dia niasa tamina orinasa frantsay manana ny lazany eto Madagasikara saingy niala roa taona lasa izay noho ny karazam-paneriterena isan-karazany sy noho ny karama kely loatra indrindra indrindra (manontany izay Malagasy rehetra miasa amina frantsay eto Madagasikara aho, mba manao ahoana tokoa ny karamanao raha miohatra amin'ny andraikitra sahaninao?) ... ampy namelomana ihany manko ny karaman'ny lahy fa mivadika moa ny tantara ankehitriny...  Ny iray hafa kosa indray (cadre) miasa amina tetikasa eto Madagasikara, mpitaintaina isaky ny faran'ny taona fa mety ho voaroaka noho ny vokatra mety tsy hahafa-po araka ny fijerin'ny lehibe azy. Noho ny toe-draharaha politika misy amin'izao fotoana izao dia tapaka tarangana ny famatsiam-bola ho amin'izany tetikasa izany. Nitsahatra izany ny asany amin'izao fotoana izao ary tsy fantany intsony izay mety ho avin'ny tetikasa sy ny ho avin'ny fiainany, tsy miasa intsony izy amin'izao fotoana izao. Any ivelan'Antananarivo avokoa ireo rahalahiko roa ireo no miasa sy monina. Ary izaho kosa mba manao ahoana?

Ianareo mpamaky dia mahafantatra tsara fa tena tsy tiako velively ny milaza ny mombamomba ny asako ary tsy tokony atao velively ihany koa aza izany. Mampisy olana eo amin'ny mpiara-miasa sy ny mpampiasa manko izany toe-javatra izany ( ary mety hisy fiantraikany amin'ny mety ho asako rahampitso ihany koa) , ny tena loza dia efa nampiseho ny sariko aho ka mety misy ihany koa ny mahafantatra hoe aiza moa aho no miasa. Halohalika anefa ny ranombary hoy ny fitenenana izay, tsy fantatro intsony izay hitranga rahampitso. Koa raisiko ho andraikitro manontolo ny zavatra soratako etoana. Miasa amina orinasa frantsay aho, lazaina hoe (cadre) saingy anarany fotsiny aho (azo hanambakana amin'ny ora iasana nefa tsy handraisana "ora fanampiny") . Amin'izao fotoana izao dia mbola mihazohazo eo ambony hatokay ny antsoina hoe "chômage technique", fa efa mifandimby maka "congé" avokoa moa izahay amin'izao fotoana izao mandrapahalanin'ny zonay  amin'io zavatra iray io, tapitra izay dia tonga ny "tsy fisian'asa" ary dia tsy mandray karama araka ny andro tsy iasana mazava loatra ary mety hiafara amin'ny "fandroahana tanteraka" rehefa avy eo. Ao ambadik'izany rehetra izany dia voatery hiasa mafy ny rehetra raha tsy te-ho voaroaka, dia mety ho adino tsikelikely ihany koa ny zon'ny mpiasa (sanatriavina). Azo lazaina ihany koa eto fa mihozongozona ny asako amin'izao fotoana izao. Dia raha sanatria moa izany...? nefa dia lazaina fa ny (fitondram-panjakana) frantsay no ao ambadiky ny fanonganam-panjakana nisy teto Madagasikara sy miezaka mafy mba haneken'izao tontolo izao ny "tetezamita" ankehitriny, izany hoe ny orinasa frantsay no hahazo vahana sy tombony indrindra mandritra izany fotoana izany farafahakeliny.

Ny azo lazaina ho tigetranay teo amin'ny fiainana

Efa nosoratako ihany tany aloha tany fa tsy mba nanofinofy izay hivoaka any ivelan'i Madagasikara mihitsy izahay telo mirahalahy ireo. Tsy fantatro loatra ny anton'izany fa tsy mba nampitsiriritra anay mihitsy izany hivoaka an'i Madagasikara izany, ary tsy nihevitra velively ny any ivelan'i Madagasikara ho paradisa izahay, noho ny fitaizana angamba. Ny mety ho tsy zakanay ihany koa dia ny fanandratana ny teny frantsay ho ambony indrindra, koa na tsy mahay na inona na inona aza nefa mahay teny frantsay dia izay no atao hoe mahay. Nampianarina teny frantsay manokana mihitsy anefa izahay telo mirahalahy ary tahaka ny mihaino teny Malagasy ihany ny hihainoanay teny frantsay amin'ny ankapobeny. Nefa dia karazana fahafinaretana ho anay mihitsy izany fandaharana niresaka Madagasikara tamin'ny fahitalavitra izany taloha. Andeha ataonay hoe faharesen-dahatra tao anatinay ny fahitana fa eto amin'ity Madagasikara ity ihany no tena ahitana zavatra maro mahafinaritra.

Etsy ankilan'izany ihany koa, tsy nampazoto anay velively izany hiasa amin'ny fanjakana izany na dia nandresy lahatra anay matetika aza ny rainay, any manko azo antoka ny karama sy ny retirety. Asa! Ahoana koa angaha ny anton'izany? Izy mivady ray aman-dreninay dia samy mpiasam-panjakana avokoa, mpiasam-panjakana niasa amin-joto fa tsy