Nadine Ramaroson : Fahafatesana tsy mazava?

2011-08-29 @ 00:29 in Ankapobeny

Ankona ihany ny tena raha nahare taorian'ny fahafatesan'ny mpanao gazetin'i Midi Madagasikara iray, Stephane Jacob, fa nodimandry ihany koa ny minisitry ny mponina avy ao amin'ny Fitondrana Avon'ny Tetezamita Rtoa Nadine Ramaroson ny andron'ny alahady 28 Aogositra 2011. Voalaza fa lozam-pifamoivoizana an-dranomasina no nahazo azy ka izao nindaosan'ny fahafatezana azy sy mpiara-miasa aminy akaiky izao rehefa avy nanatrika fety tao amin'ny Nosy Ibrahim na Ste-Marie. 


Agrandir le plan


Ilay nahafatesany amin'izay no mahavaka ny saina: Tsy fitandremana ve? Voalaza fa anisan'ny mampidi-doza indrindra io vinany nahafatesany io (Soanierana Ivongo) satria fihaonan-dranomasina sy ranomamy. Mety hamitaka ny fitonian'ny ranomasina tazamaso amoron-drano fa mety hisy onja hisamonta tampoka rehefa eny afovoan-drano ianao. Efa nisy ny olona matin'ny loza mitovitovy amin'izao eo amin'io faritra io ihany. Ny tampoka tsy maha-lehilahy hoy ny fitenenana. Marihina fa mahay milomano Rtoa minisitra avy ao amin'ny FAT saingy izay angaha ny androny.


Fipoahana nahafatesana mpamonjy voina ihany koa: Gazety iraisam-pirenena no nahitana fa nisy olona fito maty raha saiky hamonjy ny lakana izay nandehanany noho ny fipoahana nitranga. Eo no nisy tsy mazava tsara, inona ilay fipoahana na fipoahan'inona ilay izy? Noho izy olona politika mihitsy no niteraka ilay fanontaniana. Ao an-tsaina avy hatrany manko ny hoe sao dia nisy namono kosa?


Tamin'ity volana aogositra ity indrindra dia nisy fanazavana nosoratany tao amin'ny kaontiny Facebook fa nisy fifanolanana teo aminy sy ny Lehiben'ny zandary faritra Analamanga tarihin'ny Jeneraly Ravalomanana. Resaka fisamborana ny mpiara-miasa aminy noho ny resaka tany any Faharetana no nahatonga azy nanoratra somary lavalava ihany. Ny fokonolona ao an-toerana sy ny orinasa Bionexx moa no nifanolana amin'izy io. 


NIlaza ny namana Alain Rajaonarivony fa an'ilay Karana malaza antsoina hoe Akbaraly io orinasa Bionexx io. Tsy fantatro moa na marina izany na tsia fa ny anarana Charles Giblain no hitako ho Tale Jeneraliny ary manana tetikasa iarahana amin'ny AFD (Agence Francaise de developpement) ilay orinasa. Hitako tamina fitadiavana mpiasa moa fa ao amin'ny Immeuble Injet Ambodivona no karazana foibeny eto Madagasikara. Tsy dia midika inona moa izay nambarako izay fa mba antsipirian-javatra tsikaritra fotsiny. 


Ny mahalasa ny fanontaniana kosa dia ny nanaovan'ny Lehiben'ny Zandary faritra Analamanga ity tranga izay tsy tao anatin'ny fari-piadidiany ity. Hatraiza tokoa moa izany ny fahefany? sa mailo noho ilay fifanolanana madinika vao nitranga tamin'ity volana aogositra ity?


Inona kosa ny mampalaza ity Rtoa nodimandry ity? Miseho ho akaikin'ny vahoaka madinika izy ary manampy azy ireny tokoa amin'ny fanaovana tolotolotra. Na manao izany aza ity dia tsy mba hita miaraka amin'ny Association Fitia izay tantanin'ny vadin'ny filohan'ny FAT (fa toa mifaninana aza ve?). Nisy aza fotoana mitsidika tampoka any amin'ireny tsy manankialofana ireny izy, amin'ny andro alina, mamoha azy ireny ary mizara mivantana ny sakafo entiny. 


Etsy ankilany kosa dia maro no manana ahiahy noho izy maika tamin'ny fanalalahana kokoa indray ny fananganan'ny vahiny zaza rehefa naato izany nandritra ny fitondrana teo aloha noho ny ahiahy fangalaran-jaza. Ampangain'ny mpanenjika azy ho miara-miasa amin'ny mpangala-jaza moa izy noho izay fihetsika nataony izay. Raha 3 monja manko, ohatra, ny zaza malagasy natsangana fianakaviana frantsay tamin'ny 2008 dia niakatra ho 26 izany tamin'ny 2009 ary 37 tamin'ny 2010.


Na izany na tsy izany dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany sy ny olona akaiky azy ny mpanoratra.


Jentilisa, 29 aogositra 2011 02:30 maraina, Antananarivo

Lahatsoratra faha-1000

2011-08-22 @ 21:42 in Ankapobeny

Ela ny ela ka nahatratra 1000 ny lahatsoratro manokana. Tahaka ny tsy nampino ihany fa efa fotoana ela dia ela tokoa izy no nilona tao amin'ny 950 mahery tao. Ny somary nampihisatra azy angamba dia lasa ny fanitsiana ny lahatsoratry ny hafa iandreketako no betsaka kokoa noho ny lahatsoratra navoakako manokana. 


Aza taitra fa tsy ny Eto amin'ny maharesaka VETO izany resahiko izany fa ny lahatsoratra nadika avy amin'ny teny hafa (anglisy indrindra indrindra) mankamin'ny teny malagasy. Hananika ny fahaefa-taona amin'ny volana ambony io ny nandikako lahatsoratra izay lavalava ny ankamaroany fa tsy hoe nanenjika isa befahatany vao nahatratra ny 1000 ny vitan'ny tena. Tamin'ny 11 septambra 2007 tokoa aho no nanomboka nandika lahatsoratra ho amin'ny teny Malagasy tao amin'ny Global Voices Online. Azo lazaina fa tsy mora ny nanaovana izany. Mampihomehy ny mieritreritra ilay izy fa tsapako fa vao maika niha-nihena ny fahaizako teny anglisy kely tao amiko tao. Toa heveriko fa izaho nandika tamin'ny voalohany no nahay kokoa noho ny amin'izao fotoana izao. Mahatsapa manko aho fa mihavery avokoa ny voambolana malagasy sy anglisy norantovina fony mpianatra. 


Na dia niezaka ny hamelo-maso mandrakariva ny bolongana aza izahay ao mba tsy ho mena-mitaha amin'ireo teny manandanja hafa dia tsapa ihany ny fahasarotan'ny teny indrindra ka somary mirona amin'ny teknolojia vaovao sy ny fitaovana maoderina no resahina. Na dia ny samy mpampiasa teny malagasy aza manko dia mifanipaka amin'izay tokony ho dikanteny mety. Ny Software dia ny manampahaizana zatra ny serasera namana milaza azy ho rindrankajy, ny mpandala ny teny malagasy hafa sady efa filohan'ny fikambanana mpandala izany teny malagasy izany kosa nametraka ny ho rindrambaiko. Ny teny azo nifanarahana hatreo izany dia ny hoe rindra. Santionan'ny fahasarotan'ny fandikanteny avokoa izany rehetra izany ary efa niainana.


Indraindray ny tena dia mafiloha satria mila kiry ihany ny fitazonana teny iray. Nefa maniry indrindra ny fiarahan'ny rehetra miasa sy manabe voho ny teny malagasy an-tserasera (entiko ilazana ny teny anglisy hoe Online na ny teny frantsay hoe En ligne). Miangavy ny tsirairay, indrindra ireo mahay fiteny anglisy, hanitsy na hilaza eo amin'ny sehatra famoahan-kevitry ny lahatsoratra tsirairay izay dika tokony hohatsaraina. Mazava loatra fa tsy maintsy mamaky lahatsoratra roa na telo haintsika isika dia manolo-kevitra. Lany ny fotoana sy ny ron-doha fa mbola misy ny teny tsy hay avadika hatramin'izao ary maro no teny tsotra aza. Ohatra: ny Gender-Genre, tsy maintsy hoe karazana ve no ilazana azy? Eo ihany kosa ny hoe Data-Base de donnée, mety hatrany ve raha teny iditra no ilazana azy? Tsy hay intsony izay andikana ny Indigene: Indizeny ve sa vazimba? Faramparany teo ny namana iray nahita ny hoe zanatany izay mety hifangaro amin'ny colonie... Dia zavatra tahaka izany hatrany no niainana nefa tsy natao hahakivy loatra na ny lahatsoratra iray manontolo ihany koa no nadaboka.


Marihina fa ny tena dia tsy manampahaizana momba ny teny anglisy sy ny teny malagasy fa mba nitozo tamin'ilay izy fotsiny. Farany, mandrisika ny rehetra hitafa, hanitsy ao amin'io Global Voices amin'ny teny malagasy io ary hampiely ny fisiany amin'ny namana sy ny olom-pantatra rehetra. Mbola mitohy ihany koa ny fiarahantsika eto hatramin'izao ka!

 


Jentilisa 22 aogositra 2011

Fa iza no tena adala?

2011-08-18 @ 09:33 in Ankapobeny

Tsy mety misy miresaka mihitsy ho'aho ny nolazain'ny gazety iray omaly ny zavatra nolanian'ny lazaina fa solotenam-bahoaka e? Na solotenam-bahoaka aza manko izy ireo dia tsy nofidiany kosa fa dia mahamenatra kosa ilay fanapahan-kevitra. Nolaniana ary fa dia vata iray ihany no androtsahana ny vatom-pifidianana Ben'ny tanàna, mpanolo-tsainan'ny tanàna, Ben'ny faritra ary ny mpanolon-tsainam-paritra. O rey olona e! tsy misy dikany ve izany zavatra izany sa tsy raharahiana izay rehetra avokoan'izy ireo fa tsy misy idirantsika ny amin'izany? Sao dia tsy rariny kosa?

Fari-pifidianana roa tsy mitovy anie no voafaritra amin'ireo fifidianana efatra indray miaraka ireo. Manaraka izany dia impiry handrotsa-bato amin'ny vata iray izany? in'efatra? in-droa? indray mandeha ihany? koa inona ny olana ho ahy raha vato efatra ho an'ny Ben'ny tanàna iray no arotsako ao am-bata? efa vata iray ihany anie e! Sa avela hisosa ho azy fotsiny koa itony efa fahadalana mihoa-pampana itony? Dia rehefa tsy mifidy ny olona dia lazaina fa adalany ny azy nefa zavatra efa tsy izy intsony tahaka izao no miseho? Tena ela ny ela fa famotehana tanteraka ny hasin'ny fifidianana no kasaina atao eto.

Ny teti-panorona ao ambadik'ity raharaha ity manko, araka ny fijeriko, dia fanerena mba ho ny fifidianana Ben'ny tanàna sy ny mpanolo-tsainan'ny tanàna ihany no fidian'ny olom-pirenena mivantana fa ny Ben'ny tanàna sy ny mpanolotsainan'ny tanàna indray no mifidy ny Ben'ny faritra sy ny mpanolotsainam-paritra. Any no tian'ny mpanao politika tsy sahy miatrika safidim-bahoaka tanterahina dia mody ahodina amin'ny hoe vata tokana ihany. Efa nolaniana ary izy io dia akory? Izay ve izany no taratry ny fisainan'ny vahoaka malagasy lazaina fa 20 tapitrisa? Ataovy ihany ny leo politika fa mbola hahita ny tsy fahita hafahafa kokoa isika! Marina e!

Horakoraka ny an'ny sahona?

Dia be indray no tezitra tamin'ny mpiantso amin'ny haino aman-jery sasany nefa etsy ankilany tsy mitsahatra ny manasohaso ny mitondra ny firenena hatrany rehefa nahazo horakoraka ny solotenam-panjakana malagasy hanokatra ny 'Afrobasket men 2011' tontosaina eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Tezitra fa hoe tsy mahalala fomba sy tsy mahay manaja ny Malagasy. Misy ny gazety dia miampanga avy hatrany ny mpanohana an-dRavalomanana ho ao ambadik'iny siotsioka tao amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina iny. KOa raha izany tsy saiky ny ankamaroan'ny mpijery tao ve izany no mpanohana ity haratsiana sy enjehina isan'andro ity na dia efa mialokaloka any ampitan-dranomasina any aza?

Dia nanome sosokevitra moa izy hoe tsy vita ve ny mividy tapakila an'arivony ho an'ny mpanohana azy na mpiray antoko aminy dia mitehaka isaky ny misy azo hanaovana izany mandritra ny kabary. Izany ka soso-kevitra na dia mety ho lafolafo ihany aza. Soa aloha fa tsy tany aho, sady tsy afaka nankany ihany koa noho ny asa, fa raha tsy izany dia nohiraiko teny an-tenantenan-kabary teny ny hira fanevan'ny tolona 1947 'Madagasikara Tanindrazanay'... indrisy moa fa tsy ho afaka hanatrika mihitsy aho fa amin'ny fahitalavitra ihany no mba mijery.

Na izany na tsy izany efa niomana tamin'ireny tranga ireny ny Jeneraly Albert Camille Vital, sady miaramila rahateo ny tenany. Efa fantany fa tsy maintsy hisy ny horakoraka hitsena azy. Notohizany ihany ny kabariny ary dia vitany soa aman-tsara. Misy rahateo ny hira fanaon'ny miaramila hoe 'Horakoraky Rasahona, tsiboboka no tompon'ny rano'. Tsy misy milaza an'izatsy na izaroa ho Rasahona sy Tsiboboka akory na izany aza fa dia hira ihany ireny ho fampaherezana izay iharan'ny horakoraka sy tsy ho taitra ny amin'izany.


Jentilisa, alakamisy 18 aogositra 2011

 

CENI sy ny fikafikany

2011-08-16 @ 09:34 in Politika

Miarahaba ny rehetra indray rehefa tsy nanoratra ho anareo nandritra ny fotoana maharitraritra. Ny eritreritra no mandeha be fa ny tena no kamokamo, rehefa ny eritreritra iray anefa no tsy voasoratra dia toy ny hevitra iray very maina ihany koa izany. Izay sisa tadidy sisa no tsimponina ho anareo.


Tsy hiresaka momba an-dRavalomanana Marc sy ny SADC aho aloha, na dia ireo ihany indray aza no ambetin-tenin'ny gazety rehetra nivoaka teto Antananarivo androany 16 Aogositra 2011, ary tsorina fa vao maika mampalaza ilay rangahy nialokaloka atsy Afrika Atsimo sy ny fiandrasan'ny olona "sasany" azy higadona eto amin'ny firenena indray. Hiresaka andry iray eto amin'ny firenena heverina fa ho antoky ny demokrasia sy ny fifandimbiasam-pitondrana araka ny safidin'ny vahoaka kosa aho na dia mbola misy aza ny mandà ny olona mandrafitra io andry iray io. Ny CENI eto Madagasikara no ambarako etoana.


Tamin'ny herinandro lasa teo dia nisy ny filazana fa nisy nisompatra ny vohikalan'ny CENI eto Madagasikara ka nofafany tao ny antontan-kevitra fototra ahitana ny momba ny mpifidy eto Madagasikara. Efa mahavariana raha andro vitsivitsy monja taoriany nidirany an-tserasera dia voasompatra sahady io vohikala io. Misy fanamarihana vitsivitsy azoko ambara ihany momba azy io.


Voalohany, raha niditra tao ny tena nijery ny anarana sy ny biraom-pifidianana, fony mbola tsy nisy ilay lazaina fa fisomparana, dia misy ny faritra heverina ho mandeha soa aman-tsara nefa tsy namoaka na inona na inona. Lazaina ho azo itadiavana anarana ny faritra, tanàna ary fokontany nefa dia tsy mamoaka na inona na inona mihitsy ireo. Eo izany dia efa hita ny tsy fahatomombanana. Raha tsy mikitika ireo aho fa mameno ny momba ahy dia mivoaka soa amantsara ny toerana hifidianako izay manamarika fa nampiasaina tokoa ilay taratasy nisoratana anarana farany.


Faharoa, rehefa nampidirina indray ny anaran'ny vadiko dia lasa any amin'ny fokontany nipetrahany taloha indray no mbola isoratany anarana raha hifidy izy. Ny mahavariana dia izao: Fony niara-nifindra ka nikarakara ny taratasy fifidrana izahay dia izaho no nikarakara izany tao amin'ny fokontany. Efa nalaina taminay ny karatry ny mpifidy tany amin'ny fokontany nisy anay avy taloha.Rehefa tonga indray ny taratasy fanisana ahalalana izay efa ampy taona hifidy dia mbola izaho ihany no nameno io taratasy io. Rehefa nohamarinina indray anefa ny misy azy raha hifidy izy dia mbola ilay fokontany nisy azy taloha ihany no hoe isoratany. Tsy nampiasaina indray ve ilay taratasy fanisana farany? Eo no tena mahavariana!


Fahatelo, efa nivoaka indray ny filazana eto fa nisy nisompatra ny vohikala, Notadiavina avokoa indray ny momba ireo olona hafa rehetra te-hijery ny anarany dia tsy nisy nivoaka na tsy nisy na inona na inona nivoaka afa-tsy hoe tsy nisoratra anarana ianao (amin'ny teny frantsay). Niverenako nojerena indray ny anarako fa mbola nivoaka soa aman-tsara ihany ilay efa hitako taloha. Ny fahitako ny anarako dia marika fa tsy nisy izany voafafa manontolo izany ny mombamomba ny mpifidy ka niteraka ny ahiahiko hoe miala bala amin'ny tsy fahatomombanana ry zareo ao amin'ny CENI.


Fahaefatra farany, ny olana amiko tsy hoe voasoratra ao ny anarako dia mionona aho fa te-hanamarina aho hoe iza avy ny olona ao amin'ny trano ipetrahako ampy taona hifidy? Sao dia misy anaran'olona tsy fantatra ampidimpidirina ao nefa tsy ho hitako amin'ny fanamarihana sy fitadiavana ataoko izany. Raha tena te-hampihatra ny mangarahara ry zareo dia tokony ataony ihany koa izay ahafahana mijery ny iray fokontany mihitsy dia jeren'ny besinimaro ao hoe mihoatra ve ny mpifidy? sao mbola misy ny efa maty mbola misoratra anarana na ny efa nifindra monina (toy ny anaran'ny vadiko)? Raha mbola mifikitra hanatontosa fifidianana ao anatin'izay tsi-fahatomombanana izao dia efa karazana finiavana hangala-bato amiko ary mitady handany ny olona tiana apetraka hitondra na mety ho vitsy an'isa aza ny nifidy azy.


Jentilisa 16 aogositra 2011


 

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2011 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox