Nahoana no omena depiote roa isaky ny boriborintany ny ao Antananarivo Renivohitra?

2019-05-21 @ 17:12 in Politika

Tsy nahatadidy aho no sady tsy miraharaha izay niandohan'ny nanomezana depiote roa isaky ny boriborintany ny ao an-drenivohitra ao. Dia variana ihany koa aho hoe nomena tombony manokana ireo renivohi-paritany ka nomena depiote roa ihany koa, na dia vitsy mponina noho ny tanàna maro hafa aza. Misy zavatra hafahafa ao ambadik'izany raha ny fijeriko manokana ary izay rahateo no ampitaiko aminareo.


Faly ery ny mponin'Antananarivo hoe mba omena ny hanitra sahaza ho azy ka manana depiote 12 be izao ao amin'ny antenimieram-pirenena. Voamarika anefa fa mifamono ny isan'ny depiote raha antoko roa no mifaninana. Vokany: hifarana amin'ny samy mahazo depiote 6 ny roa tonta afa-tsy hoe ambany noho ny atsasaky ny vato azon'ny voalohany ny faharoa. Sarotra anefa ny hahazoana izany raha ny ao an-drenivohitra no heverina.


Fehin'izany: toy ny tsy manampeo ihany Antananarivo fa izay manana ny maro an'isa amin'ny ankapobeny ihany no hitana ny maro an'isa sy tompon'ny feo. Inona ny vahaolana manoloana izany? Tsy ho an'Antananarivo ihany no vahaolana fa ho an'ny tanàna rehetra. Aleo depiote iray isaky ny fari-pifidianana iray ihany no fidiana, ka raha 12 ny depiote omena an'Antananarivo dia ataovy fari-pifidianana 12 ny eto Antananarivo. Toy izany ihany koa amin'ireo tanàna hafa rehetra ka omena depiote mihoatra ny iray, dia mivoaka araka ny tokony ho izy ny safidim-bahoaka.


Mbola misy ny hevitra hafa na fanamarihana momba ny fifidianana depiote fa izay aloha no atolotra anareo anio.

 

 

Naninona no nokasaina hovaina ny lalampanorenana?

2019-05-19 @ 07:11 in Politika

Ireto no tsikaritro amin'ny Lalampanorenana ka nisy nilaza fa saika ovaina saingy notsipahin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny hanaovana referandaoma.


Andininy 151: Fidian'ny vahoaka mivantana ny Ben'ny tanàna sy ny mpanolotsaina

Andininy 154 -155: Fidiana ny Ben'ny Faritra sy ny Filankevitra. Mpikambana ao amin'ny filankevitra avy hatrany ny depiote sy ny senateran'ny faritra. 

Andininy 158 - 159: Fidiana ny Ben'ny Faritany, Fidiana toy izany ihany koa ny Filankevi-Paritany. Mpikambana ao amin'ny filankevitra avy hatrany ny depiote sy ny senateran'ny faritany.


Ireo andininy efatra farany no nokasaina ovaina araka ny tsilian-tsofina, saika hotendren'ny filoham-pirenena no nanoloana azy. Mbola miato iny fa mety hisy ny famerenana azy indray mandeha. Tsy fidian'ny vahoaka mivantana ireo olona ireo fa ny olom-boafidy hafa voafidy avy ao amin'ny andininy faha-151 (sy ny depiote sy senatera) no mifidy azy raha vakiana ny lalampanorenana.


Tsikaritra anefa fa tsy mahay mitrandraka ilay fikasana hanao referandaoma ny TIM, ny fonosin'ny fanovana dia ahafahana milaza hoe tsy mahazaka demaokrasia ny mpitondra amin'izao fotoana izao ka mila tsindrilentam-pahefana ary ny TIM irery ihany no afa-manao izany mba itoeran'ny fitondrana tsara tantana. 


Tsy niditra tamin'io mihitsy ny HVM satria fantany fa tsy misy raisina izy raha notanterahina ireo andininy efatra voalaza ireo, ary matahotra ny hampihatra azy ihany koa ny MAPAR-IRD noho ny finiavana hitondra samirery ny baolina sady tsy hahay hiraza ny fahefana araka ny voatondron'ny Lalampanorenana. Mbola mila fanazavana hafa indray ve?

Ireo lisitra eto Avaradrano Alohan'ny fifidianana depiote 2019

2019-05-14 @ 18:06 in Ankapobeny

Araka ny mety ho voamarikareo any anatin'ny soratako any dia aty amin'ny kaominina avadrano aho no monina, dia araka izay hitako sy ny fandinihako eto an-toerana ihany no soratako. Folo ny isan'ny lisitra mifaninana, ao anatin'izany daholo ny efa depiote teo aloha na ny tsy niova antoko na ny namadika palitao, fa ny zavatra iray mahavariana dia ny fifaninanan'ny ben'ny tanàna ho amin'izany toerana izany. 


Mampanontany tena hoe ny depiote be izany no ambony kokoa noho ny Ben'ny tanàna raha mifandrombaka ho amin'izany ireto olona ireto. Raha eo amin'ny haben'ny fari-pifidianana aloha dia lehibe kokoa noho ny an'ny ben'ny tanàna ny an'ny depiote, tahaka izany ihany koa ve ny eo amin'ny tombontsoa hafa? Tsikaritra fa Ben'ny tanàna avokoa ny ao anatin'ny lisitry ny IRD (Isika rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina), olona tsizoviana amin'ny maro noho izany no mirotsaka ary fahazoana tombony hafa kokoa izany manoloana ny hafa. 


Misy ihany koa ny Ben'ny tanàna mirotsaka amin'ny anarany manokana, olona avy amin'ny faritra hafa eto amin'ny distrika ihany koa ireo miray lisitra aminy. Olona nahavita be teo amin'ny kaominina iadidiany, sady manankarembe (Sabotsy Namehana) izany ka maro amin'ny olona mahalala azy ihany koa no vonona handrotsa-bato ho azy raha ny afidy manoloana ny trano no itarafana azy. Ny tsinjo dia maro amin'ireo nametaka afisin-dRavalomanana tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ireo mametaka ny afisin'ity lisitra mahaleotena Avoty Avaradrano ity. Izy anefa dia nanohana mafana fo an'i Andry Rajoelina, filoham-pirenena, fa tsy tafiditra anaty lisitra IRD ka nanangana lisitra manokana ho azy. Ny mpifaninana mivantana amin'ny TIM ka maka ny ampahany maro amin'ny mpifidy azy eto Avaradrano, tsy lavitra loatra an'i Sabotsy, noho izany dia ity lisitra ity. Antoko hafa mifaninana ihany koa ny ADN sy ny AREMA, ary any amin'ny takotakona any dia misimisy ireo trano sady mametaka afisy AREMA amin'ny tranony no mametaka afisy IRD ihany koa.


Ary hafahafa kokoa noho izay ireo lisitra mahaleotena tsy ho hay izay apoakany na dia misy aza ny miezaka fatratra mampafantatra ny tenany. Lisitra iray sisa no tsy fantatra mihitsy hoe mba iza koa ary io satria tsy misy afisy na zavatra hafa mety hamantarana azy mihitsy fa dia any amin'ny efitra fisainana angamba vao ho hita hoe mba iza ity nandany 5.000.000 ariary amin'ny tsy antony ity.

 

 

Lalana ankodahoda: Isahafa - Ambatoharanana - Imerimandroso

2019-05-03 @ 10:06 in Ankapobeny

Nitsangatsangana niaraka tamin'ny fiangonana misy eto an-tanànan'Isahafa Avaradrano izahay mianakavy kely tamin'ny voalohany mey. Nandeha toerana hafa kokoa (Imerimandroso) izahay. Lalantany hatrany no naleha raha mivantana avy eto Isahafa mankany Imerimandroso, izay mandalo an'Ambatoharanana, toerana voalohany nijoroan'ny misiona Anglikana teto Madagasikara. Maro anaka kely ny tena ka nandeha fiara madinika manokana fa tsy niaraka tambabe tamin'ny fiara iombonana.


Efa nampiomanina mialoha fa somary ratsiratsy ihany ny lalana ka raha fiara madinika no andehanana dia aleo aloha mihodina mihitsy mankany Sabotsy Namehana mandalo Ambohinaorina dia manavatsava ny vahalava mizotra manatona ny lalambaovao mankany Ivato iny fa manaraka lalantany ihany ka mandalo an'Ambodifasina, Ambatolampy Tsimahafotsy, mandalo ny ozinina shinoa mpanao vato(fanaovana cross taloha) vao mitady hoe aiza ny lalana mankany Imerimandroso.


Ora roa no nanaovana ny lalana satria mbola tratran'ny fitohanana tamin'ny niditra ny tanànan'i Sabotsy tamin'ny naka solika. Mba tsara ihany ny lalana tamin'ireo toerana nolalovana voalaza anarana ireo fa niova tampoka izany rehefa avy eo. Mikintoatoana tanteraka sy feno dongona nisy fiantraikany tamin'ny fiara. Tsy mampaninona loatra ny kodiarandroa izany lalana izany nefa mba manao ahoana ny famoahana vokatra amin'izany? Tsy misy firy kilaometatra an'Ivato Seranana izany dia efa ankodahoda sahady.


Rehefa samy ho ratsy ihany ny lalana dia naleo indray miara-dia amin'ny besinimaro fa mba samy mandady eny ihany rehefa mody. Dia tena izany tokoa no natao niainga avy eo Imerimandroso, mandalo an'Ambatoharanana sy andeha atao hoe miafara avaratr'Imahatsinjo. Vitesy voalohany hatrany tamin'ny lalana tokony ho vita ampahaefatradiny raha ela indrindra amin'ny lalana tsara. Tena tsindraindray vao mba miditra vitesy faharoa. Tsy mahita izay tanàna manodidina ny saofera fa ny lalana ihany no ifantohana, mijery hoe aiza indray no tsara andadizana. Adiny iray sy fahefany no nahavitana azy. 


Rehefa mahazo ilay sampanana be dia be ahitana ireo lalana mankany Ambohimanga, Ambohimiaramasoandro, Anosiarivo, Mahatsinjo (ilay nosoratako hoe Imahatsinjo) vao tsara ny lalana, na dia lalantany aza, ka ny mizotra mankany Iavoambony no naleha rehefa mody satria mifampitazana ihany manko Isahafa sy Iavoambony. Saingy mbola mivadika ratsiratsy indray ny lalana rehefa hiditra ny tanànan'Iavoambony. Tsikaritra ihany anefa eny antsefatsefany eny fa nisy totovato ny lalana fa efa simba tanteraka izany.


Efa mba nandehanako ihany koa ilay lalana avy eo amin'ny sampanana maro nolazaiko io mankany Ambohimanga fa dia tena tsy fanao ianao ny ampahany sasany ary na kodiaran-droa aza sahirana ihany rehefa tsy sahy mandeha amin'ny sakelika mitovy habe amin'ny tahalaka an-tanimbary, raha mianjera kosa aloha dia hihosina tanteraka sady toy ny latsaka an-kady ka ho sarotra ny ivoahan'ilay kodiaran-doa mianjera ao. Lazaina fa Lalan'ny misionera voalohany izany ampahan-dalan'Ambohimanga mankeo amin'ny sampanana maro izany.


Teo no nahatsapako fa hay mba tsara ihany ny lalana avy eto Isahafa mankao Lazaina na dia mikitaotaona aza ny eny amin'ny Vahalavan'Andranomasina. Teo no nahitako fa tsara raha atao taranja ampianarina any an-tsekoly ny fanaovan-dalana ambanivohitra mba hahaizana mikojakoja ilay lalana farafaharatsiny sy hanekena fa tsy maintsy asiana ny tatatra ivoahan'ny rano fa tsy ho tia tena hanampina ilay fivoahan-drano satria zary mivarina an-tanimbary ny ranon'orana, dia ny lalana no ratsy tanteraka avy eo. Tsy azo antenaina ny manampahefana hanao izany lalana lazaiko izany satria faritra efa avela ho ankodahoda izany, ary misy ny manana tombontsoa amin'ny faharatsian'ny lalana satria mbola mora lavitra noho ny "vary mora" ny vidimbary vokatra any.  


Resaka lalana fotsiny izany lazaiko izany ary ampitaiko eto fa tsy izay fahasahiranan'Antananarivo renivohitra ihany tsy akory no fahasahiranan'i Madagasikara (sa tsy mahazo manoratra an'izany aho?). Be loatra ny olona mijaly noho ny faharatsian'ny lalana sy ny tsi-fandriampahalemana aterak'izany ary tsy mahagaga loatra raha mivangongo ao Antananarivo ny olona.

Soratra aoriana: 18 kilaometatra ny totalin'ny lalana vita tamin'io fotoana io...

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox