Araka ny efa malaza amin'ny fampahalalam-baovao sy ny fitarainan'ireo izay efa niharany dia nisondrotra avo dia avo ny sazy aloa amin'ny tsy fanarahan-dalàna amin'ny fifamoivoizana. Tafiditra amin'izany tsy fanarahan-dalàna izany ny tsy fahampian'ny antontan-taratasy na ny fanadinoana azy any an-trano raha tratran'ny fisavana tampoka.
Ny hany mampisalasala dia hoe 100 000Ar (vola indroan'ny karama ambany indrindra ara-dalàna) ilay sazy kely indrindra tsy maintsy aloa sa 100 000Iraimbilanja (vola saiky atsasaky ny karama ambany indrindra eken'ny lalàna sosialy)? Nisy manko ny gazety milaza ilay ery ambony nefa ny fitarainana heno dia toa manondro kosa ny faharoa. Ambony ampanga ny vola faritan'ny Kaominina nitrangan'ny sazy izay samy manana ny azy.
Mazava loatra fa ity gasy tsy tia hisahirana ity dia midify araka izay azo atao izany handoa any amin'ny ara-dalàna izany fa aleo "manome kely" ilay tratra nisava raha mbola azo atao ihany koa izany. Eo indrindra ny resaka: raha vitan'ny 1500Ar manko ny raharaha teo aloha teo dia mety hisondrotra na hihoatra ny 5000Ar izany vola fandoa eny anivon'ny fanaovana kolikoly izany raha tratra amin'ny atoandro fa mety hihoatra ny 10 000Ar kosa izany raha tratra amin'ny hariva.
Ny mahagaga rehefa mamaky ny gazety dia misy ny manambara fa misy karazana fisavana ara-teknika ny fiara koa eny an-dalambe eny. Nahahendratra ahy io satria toa mampiharihary ny tsy fetezan'ny fanaovana vizity eny Alarobia (na eny Betongolo raha eto Antananarivo) nefa dia toa iniana odiana fanina. Malaza dia malaza koa manko ny fanaovana kolikoly eny nefa toa tsy mety taitra amin'izany mihitsy ny tompon'andraikitra raha tsy hoe izy mihitsy koa no mbola tompon'andraikitra voalohany amin'ny fanaovana kolikoly eny.
Ny mahatsikaiky indray dia mety ho efa rentsika ny 'operation coup de poing' ataon'ny mpitandro ny filaminana amin'izao fotoana izao amin'ny fanerena ny mpitondra sy ny mpitaingina soavalivy tsy maintsy manao aroloha ary ny mpitondra fiara mametraka indray ny fehikibo aroaina. Ny mahavariana dia ity, ny saofera no terena tsy maintsy mametaka ny fehikibo aroaina fa ilay olona eo anilany kosa toa tsy maninona na tsy mametaka io fehikibo aroaina io. Inona ary ity?
fanamarihana: Mety hivoaka atsy ho atsy ny lahatsoratro mahasosotra dia mahasosotra momba ny baolina fandaka malagasy izay nefa hevitro manokana io. Mampiomana ny rehetra aho amin'io nefa miangavy ny rehetra handinika tokoa izay tokony ho izy. Mety hisy koa lahatsoratra momba ny baolina fandaka ihany izay heveriko fa tokony hahafinaritra kosa saingy boky kosa no holazaiko amin'io.
Gaga dia gaga aho nahita ny karapanondroko rehefa avy nijery fandaharana iray tamin'ny fahitalavitra aho. Izay nanamboatra kara-panondro folo taona eo ho eo izay dia tratra avokoa. Inona hoy ianao? tsy misy fitomboka ho'aho ny sary amin'ny kara-panondro e! satria manko karatra sarotra alaina tahaka izy ity dia tsy maninona ve raha tsy nasiana fitomboka ny sary? Inona ny manakana ahy tsy hanova ny sarin'ny olona eo raha te-hanao hosoka aho? saingy tsy hanao izany aho aloha noho ny fitandroako ny fahamarinana.
Izao aho manontany anao: Jereo koa hoe ny kara-panondronao? Tsy voalazan'ny lalàna hono hoe tsy maintsy asiana fitomboka io. Dia lasa ny saiko manao hoe lalàna dia mamporisika hosoka koa izany lalàna malagasy izany. Ovay avy hatrany fa mampidi-doza... Etsy ankilan'izany dia nampanaovina sonia fanindroany hatrany aho rehefa maka vola any amin'ny banky kahoy aho hoe sao tsy matoky ny kara-panondro intsony koa ary ity banky misy ahy ity?
Tsy misy izay tsy niaiky fa nitohana tokoa ny fifamoivoizana nandritra iny herinandro nivalona iny teto Antananarivo. Feno olona nifamoivoy ihany koa ny tsena sy ny sisindalana indrindra fa ny tany afovoan-tanàna. Manamarika izany amin'ny ankapobeny fa manomana zavatra any an-tokatranony tsirairay any ny olona na dia mikaikaika noho ny fahasahiranana aza. Raha atao aza ny fampitahana dia io araka ny lohateny nolazaiko io fa nalaza noho ny pentekositra ny fetin'ny reny tamin'ity indray mitoraka ity, marihina anefa fa fetim-pivavahana ny iray amin'izany fety izany ary fety nateraky ny fiaraha-monina ara-barotra kosa ny iray.
Be dia be ary ny marika ahatsinjovana fa resin'ny fetin'ny reny ny pentekositra. Voalohany amin'izany raha jerena ao am-piangonana mihitsy. Vitsy kokoa noho ny tamin'ny pentekositra aloha ny olona tonga tamin'ny fetin'ny reny ka ny tena antony nahatonga izany dia noho ny fahavitsian'ny reny nankany araka ny fijeriko azy. Maromaro tamin'izy ireo ihany manko no nikarakara ny tao an-trano toy izay nandeha nankany am-piangonana. Izany hoe zavadehibe kokoa ilay nijanonana an-trano noho ny nandehanana am-piangonana. Marihiko etoana aloha fa ny tany amin'ny fiangonana protestanta no tena hitako fa tsy fantatro kosa ny tany amin'ny fiangonana katolika.
Faharoa manarakaraka izany, mbola ao am-piangonana ihany, efa zary fanao ny miarahaba ny reny ka ny lohalaharana amin'izany dia "ramatoa" (fiantso ny vadin'ny pastora ho an'izay mbola tsy mahalala). Omena fotoana ao anaty fandaharam-piangonana mihitsy izany fotoana natokana ho an'ny reny izany sy ny fanolorana fanomezana ho azy. Anjaranao indray ny maminavina hoe manana anjara fotoana any an-tokatrano ve ny fitarihan'ny Fanahy Masina tsarovana manokana ny fidinany tamin'ny Apostoly sy ny mpanaraka azy nandritra izany pentekositra izany?
Fahatelo, ny fikarakarana azy, maro kokoa ny karazan'olona mikarakara ny fetin'ny reny noho ny pentekositra indrindra fa ny fametrahana azy ho laharam-pahamehana na ny lanjany no tombanana. "Hafa ihany i Mama" hoy ny hira malagasy malaza, misiki-ponitra avokoa ny rehetra, eny fa na dia i Neny aza amin'ny fanomanana atao. Na hendry manko na maditra ny zanany, miahy ny naloaky ny kibony hatrany ilay nifonosany amin'ny ankapobeny.
Mbola azo atao ny manohy ny resaka, ankoatra ny fahitana fa ny alatsinain'ny fety Paska na Pentekositra aza no malaza kokoa noho ilay fetim-pivavahana, saingy sao dia mivoaka amin'ny lohahevitra banjiniko aho. Na izany aza mampanontany tena ihany hoe efa mihamitotongana ve ny fivavahana kristiana eto madagasikara raha jerena amin'izao lafy izao?
Tamin'ny fanendrena ny DGn'ny Moov ho lasa DGn'ny Telma no nahitako fa mihoatra ny 500 000 ankehitriny ny mpanjifan'ny Moov. Raha nahita ny tarehimarika aho dia lasa tany amin'ny olan'ny orange tany alohaloha tany ny saiko. Raha nahatratra ny 1 000 000 araka ny nolazainy manko ny mpanjifa tamin'izany fotoana izany dia sarotra tokoa vao nahazo izay nantsoina ny olona iray. Matetika aza moa dia lasa toy ny messagerie vocale hatrany ny antso tamin'izany fotoana.
Ankehitriny dia mitovy amin'izany ny manjò ny mpanjifa moov izay misy ahy amin'izao fotoana. Marihina fa tsy ilay plug & surf 3G+ no ampiasaiko fa amin'ny alalan'ny antso an-tariby(telma) ihany. Nandritra ny ora telo farany niseranako manko dia tsy tafiditra na tsy nahazo izay takelaka nozahako mihitsy aho ankoatra ny takelaka fandraisana nataoko google ny 53 miniotra amin'ireo raha atambatra. Ankoatra ny mahalafo azy kokoa noho ny any amin'ny cybercafé izany dia mbola hasosorana no azo amin'ny atsasaky ny niseranako (tsy ho ampahatelon'ny niseranako kosa aloha fa mihoatra e!). Heveriko ho fatiantoka lehibe ho ahy manko ny tsy mahazo fahafaham-po akory amin'ny fandaniana tsy fanaon'ny sarambambem-bahoaka loatra. Ny mankeny amin'ny cybercafé tsinona no fanaon'ny maro fa noho ny itiavako azy miserana amin'ny alina no nampidirako azy an-trano.
Na izany aza dia misy fika ataoko hampihenako ny fahasosorako, fa tsy hoe ahafahako miserana ampisosasosana na tsy mandoa vola tsy akory. Azo fantarina ihany manko amin'ny alalan'ny telefôna ny mahalala na mety ny miserana amin'io fotoana io na tsia; raha mety dia manararaotra eo amin'ny telo minitra eo aloha fa raha tsia dia aleo miala avy hatrany (mi-deconnecter). Rehefa vita ny solon'anarana sy ny tenimiafina dia mitady fidirana aterineto ny telefôna.Amin'iny izy mikaroka fifandraisana iny dia mandefa chrono io telefona io. Faharetam-potoana hitanao tsara eo amin'ny efijerin'ny telefôna (ecran) io. Amin'iny izy mivadika ora iny raha toa ka latsaky ny roa segondra dia mipetaka amin'ny amin'ny efijerin'ny solosaina kosa fa ilay soratra hoe 'moov est maintenant connecté' dia araraoty ny andro hitsidihanao izay tiana jerena rehetra.
Raha azo atao ary dia tsy mamaky izay tianao vakiana aloha fa isaky ny voasoratra ny 'done' na 'terminé' dia mamadika pejy indray ianao. Toy izany ihany koa amin'ny mailaka (yahoo ohatra) fa tsy akatonao fotsiny izy amin'ny farany fandrao tsy mety. Rehefa hitanao fa manomboka mihisatra ny fiseranana na afa-po amin'izay takelaka rehetra tianao jerena ianao dia mi-déconnecte amin'ny aterineto (moov) avy hatrany aorian'ny fanindrian'ny X menamena ery ambony somary ankavia iny. Raha efa izay dia ny bokotra mialoha (precedent) hatrany no tsindrianao hamakiana azy tsikelikely sy ampilaminana satria tsy manenjika fotoana intsony ianao. Raha tsy izany kosa dia mionòna mionòna amin'ny manaraka indray. Na dia hoe eo ampigadonan'ny faharoa segondra monja aza ny fivoahan'ilay soratra hoe 'moov est maintenant connecté' dia efa sarotra ny raharaha.Fa rehefa miala tsy maintsy mi-deconnecte fa tsy hoe mijanona eo tsy akory. Amin'izao fotoana izao dia tsy misy intsony ny fotoana fanararaotra manokana iseranana izany fa efa nifohazako ny tamin'ny telo maraina, dimy maraina na misasakalina fa tsapa mihitsy ny fahabetsahan'ny olona miserana noho ny fihisaran'ny connexion. Raha mahita fika hafa ianareo dia ilazao ihany aho fa izaho aloha mizara izay niainako nampihena ny fahasosorako. Marihina fa na saiky hividy ilay 3G+ aza aho dia misalasala hatrany amin'izay mety ho fisosa na fihisatry ny fiseranana.
Loharanombaovao iray no nandrenesana fa telo volana izay ny Banky Foiben'i Madagasikara no tsy namoaka vola dimanjato ariary intsony. Na dia hoe faraparany aza voa nampiasaina izy dia hita ihany ny ilaàna azy amin'ny fifanakalozana sy ny varotra. Ao amin'ny fiangonana falehako matetika dia misy olona mpanolotena manakalo vola ratsy avy amin'ny olona soloina vaovao hahatsara endrika ny vola atao rakitra angaha fa tsy nahita dimanjato ariary teo ihany koa aho. Lasa ho azy ny saina eo anatrehan'io toe-javatra io. Izany hoe azo heverina fa ho ratsy endrika avokoa ny ravimbola dimanjato ariary afaka kelikely monja noho ny tsy fahaizan-dRamalagasy mikojakoja vola.
Ny ahiahy dia miantefa tamin'ny nanovana ny franc ho ariary. Mody narona tany amin'ny hoe anaram-bola malagasy ny sain'ny olona, hay izy ity hihena be dia be ny sandam-bola.Ilay sanda tamin'ny franc taloha iny no toy ny soloina ariary fotsiny eny amin'ny farany dia mitovy anie izany e! Izao indray manahy aho fandrao mampiakatra ankolaka ny vidin-javatra ity toe-javatra ity. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa ny jirama sisa no mampiasa na manaiky ny ariary sy ariary roa ary ny ariary dimy fa ny ankamaroan'ny mpivaotra enta-madinika saiky mandà azy avokoa. Mbola miasa soa amna-tsara anefa izy ireny.
Notontosaina teny amin'ny zaridainan'Ambohijatovo ny androm-pahatsiarovana ireo matin'ny sida rehetra. Araka ny fahalalàna dia sambany vao notsarovana teto Madagasikara ity vaninandro ity. Araka ny resaka dia tamin'ny enina hariva teo no nandrehetana labozia hanehoana izany fahatsiarovana izany.
Nandritra io fotoana io koa no nisehoan'Atoa Firinga Johnson sehatra voalohany hijoroany vavolombelona fa misy tokoa ny malagasy mitondra ny tsimokaretina VIH. Nisy fampisehoana moa nandritra io fotoana io. Nozaraina ihany koa ny labozia narehitra (fa saiky hitazandavitra ny maro amin'ny malagasy ary efa fanaony rahateo izany).
Ny somary nahatsikaiky raha nisy ny fananganantanana ka tonga teo amin'ny hoe hifandray tsy misy tahotra amin'i Johnson fa nisy nampidina tanàna teny an-tsehatra aloha ary dia maro koa ny olona nanatrika no nampidina ny tanany. Ny nahatsikaiky ahy faharoa dia nisy fitenenana tsy sazoka na diso toerana angaha hoe aza ailikilika i Johnson fa sao very irery ihany. Ampiantsika izy...(izany hoe hiara-very aminy isika?). Vazivazy iny aloha an!
Hotel Sharon, Pharmacie Centrale, Archives nationales et à la fin c’est “seulement” le département de la logistique du ministère de la santé (côté ouest de la Pharmacie Centrale) qui a pris feu suite à un court circuit, dirait-on. Non! Après un bruit qui circule très rapidement faisant état de l’incendie de trois premiers sites cités précédemment s’est avéré finalement “fausse” après vérification; Ce sont les maisons très anciennes où se trouvent exactement à leur centre qui ont été victimes du feu aujourd’hui vendredi. On estime quand même la valeur du dégât à environ un milliard d’ariary sélon le ministre de la santé Jean Louis Robinson vénu expressement sur place.
Dia tsy miraharaha izay teny frantsay diso any aho satria tsy tenin’ikaky na tenin’ineny ary tsy teniko akory io. Nahagaga ahy fa dia nahavita io aloha aho. Tokony ho tamin’ny roa tolakandro teo ho eo no nanomboka ny fahenoana ny fielezan’ny setroka sy ny afo ka nampiolomay ny rehetra. Mifanila amin’ny “petite vitesse”, lalana manaraka ny tambohon’ny gara eny Tsaralalàna, ny trano ka nihazakazaka avokoa ny mpivarotra madinika hamonjy aina. Nanakatom-baravarana avokoa ny mpivarotra lehibe, ny an’ny karana mazava loatra, tapaka rahateo ny jiro ka izay manana gropy ihany no miasa ao an-trano. Mifanohitra amin’izany kosa fa indreny nihazakazaka ny jiolahimboton’Isotry te-hanararaotra ny toe-java-misy angaha. Soa ihany fa nosakanan’ny polisy, manana ny toeram-piasany eo ampitan’ny fitoeram-panafody indrindra, ny lalana mankany tsy hitsofohan’ny te-hijerijery fotsiny. Ny mpanao gazety ihany no nahazo alalana hanakaiky ny toerana.
Ny tsikaritra tamin’ity toe-java-misy ity ihany koa dia tany Ankadifotsy, Antaninandro, Behoririka no maty jiro sahabo ho adiny iray teo ho eo. Velona kosa anefa ny jiro teny Analakely sy Soarano. Nanomboka tamin’ny fotoana nahamay ny trano fitoeran’entan’ny minisiteran’ny fahasalamana, misy ny fitoeran’ny lay misy odimoka, ny kidoro, dabilio(?) ary fitaovana maro samihafa, tamin’ny roa ora voalaza etsy ambony ka hatramin’ny fotoana nandalovako teny tamin’ny valo ora alina dia mbola tsy niverina ny jiro nanomboka teny amin’ny Tana Plaza, ka hatreny amin’ny Cotona, mipaka eny Ambodifiakarana makeny amin’ny fasan-dRainiharo, amin’iny Ampasamadinika iny ka miolika aty ampitan’ny Conforama (National Store) ka mianavaratra manatona ny lapan’ny tanàna haorina indray saingy heveriko ho tsy tratran’ny aizina kosa ny Arikady.
Tahaka ny hafahafa izany hoe Zoma tolakandro ka tsy nisy fiara firy nandalo anoloanan’iny Boriborintany voalohany iny. Tsy nanaiky ny hisian’ny mpivarotra amorondalana mihitsy koa moa ny kaominina ka nalaladalaka tsy ahalalàna andro tsena manaraka iny lalambe Andrianampoinimerina (Ambodifilao) iny. Nivaha anefa izany nanomboka tamin’ny 5 ora sy sasany ka nahazo atsasak’adiny teo ho eo ny mpivarotra amoron-dalana hanao ny ataony. Oadray, miova koa izany zavatra tantaraiko izany.
Tamin’ny valo ora alina, tsy mbola nahita an’i Tsaralalàna maizina toy izany aho, nefa dia betsaka tokoa ny olona nifanaretsaka fa efa misy koa moa ny mpijorojoro mazava alina tsy hita endrika ao anaty aizina ao. Ny tobin-dasantsy ihany no ahitana jiro mirehitra. Hita ihany fa misy olona miala ny tranony amin’iny faritra iny, raha noheverina ho voafehy manko ny afo tamin’ny dimy mahery teo ho eo dia mbola tsy maty ny setroka na dia tamin’ny sivy ora alina aza (notazanin-davitra kosa io). Manahy angamba ry zareo fandrao miitatra ny afo ka aleo mankany amin’ny olom-pantatra aloha. Mahavariana anefa fa marobe tsy misy toy izany kosa ny olona amin’iny lalana Lacoste iny.
Tsikaritra fa nandritra ny haitrano dia tsy mbola mahalala marina izay trano may ny olona teny amin’ny manodidina teny. Ilay zandary nanontaniako aza namaly fa ny Arisiva nasionaly no may miaraka amin’ny ampahan’ny tranon’ny minisiteran’ny fahasalamana. Hitan’ny olona, tazan-davitra, ihany ilay trano saingy tsy fantany hoe inona moa io trano (midadasika na dia ntaolo aza) io. Izay no antony iray nampisaritaka ny filazan’ny olona hoe inona ilay trano may. Tsy nino ilay Arisiva aho satria fantatro ihany ny toerana misy azy fa ampita atsimo (mifanila amin’ny Caisse d’apargne) nefa ny trano (na faritra) tratra ampita avaratra. Niserana iray minitra teny manko aho (tena hoe iray minitra) nanamarina hoe taiza ho aiza tokoa moa izany may izany.
Mahavariana fa dia misy trano may indray ao Tsaralalàna ao amin'izao fotoana izao ( zoma 16 mai 2008). Nanontany aho fa sao dia ny tobin'ny mpamonjy voina sy haintrano no may amin'izany? Angamba dia ho sampona fa tatitra tsy voamarina no milaza fa ny Hotel Shalimar io may io. Ny resaky ny olona moa tonga dia milaza fotsiny hoe:" Miala hetra indray izany fa be loatra ny hetra!". Asa anefa!
Fanitsiana: Ny Pharmacie Centrale no may
Dia fahatsiarovana ve sisa ny fanapahan-kevitra hanakana
araka izay azo natao ny fiantsonan’ny fiara izay amidy no tena nibahan-toerana
teo Analakely? Nesorina tsy ankiteniteny manko ny fefy rehetra nanakana ny
fiara tsy hiantsona tamin’iny andaniny sy ankilan’ny Arikady iny. Mazava loatra
fa feno fiara “A VENDRE” indray izay azo nijanonana rehetra. Hita mazava tsara
fa ny mpitantana ny tanàna no nanala azy ireny satria voatampina tara avokoa
ireo faritra nanesorana ny vato rehetra.
Ny fanontaniana dia hoe hisy ve ny solony sa dia efa izay
izany? Manaraka izany moa dia efa tafapetraka soa aman-tsara ilay takelaby efa
nolazaiko andro vitsy lasa izay. Tsy mbola misy dokambarotra hita aloha nefa
mampieritreritra ihany raha sarin’ny lapan’ny tanàna vaovao no hapetraka eo.
Ilaina ve ny fandaniana be tamin’ny fananganana ilay takelaby raha tena izay tokoa
no ho eo? Miandry fatratra izay sary hipetraka eo aho fa ianareo aloha tsy
fantatro. Fa na izany aza tena mahavariana raha vitan’ny
240 000 000Ar ilay lapan’ny tanàna vaovao. Mampanontany tena hatrany
manko hoe efa tafiditra amin’io tetibola io ve ilay takelaby mipetaka manakona
ny zaridaina misolo ny lapan’ny tanàna ankehitriny? Tadidiko kosa fa
nolazain’izay nametraka ny zaridaina endrika faharoa eo amin’io toerana io
ihany manko fa nahatratra 200 000 000Ar ny tetibidin’ny nananganana
ilay zaridaina. Dia hoy aho hoe vitan’izany tetibola izany rangahy koa naninona
raha tonga dia ny lapan’ny tanàna no najoro? Tena samy manana ny paikany tokoa
angaha ny tsirairay.
Manaraka izany izay nahadinika dia mahita mazava tsara fa
tsy ilay endriky ny Lapan’ny tanàna may teo aloha intsony no kasaina haorina
(raha hisy tokoa) fa endrika tiana ho amin’ny vanim-potoanan’ny taonarivo
fahatelo angaha. Mifanakaiky kokoa amin’ny endriky ny Arikady andaniny sy
ankilany manko ilay vinavina vaovao fa tsara jerena kosa aloha e! Anjaran’izay
te-hiady hevitra amin’ny tokony hanovana na tsia ny endrik’ilay lapàn’ny tanàna
kosa aloha fa ny mampita vaovao ihany no ataoko.
Zavatra hafa na mifampitohy aminy ihany aza. Izaho dia tsy
nankasitraka velively ny hananganana indray ny lapan’i Manjakamiadana tamin’ny
fotoana nampafana fo ny olona ka efa nahatonga ny andrintrano lehibe hazo iny
aza. Tsy hitako hoy aho raha mbola trano hazo ihany no haorina eo nefa ny hazo
sady mora may no mora boboka. Manaraka izany fotoana fanararaotan’ny mpanambaka
sy ny te-hanankarena vetivety ihany koa ny zavatra sahala amin’ireny ka tsy
nandrotsa-bola ho amin’ny fananganana azy mihitsy aho. Ankehitriny, noho izy najoro
amin’ny alalan’ny vatosokay (ciment ka lasa béton) dia faly aho na dia mbola
andalana aza ny fanarenana, hita tsara manko ny fandroson’ny asa, nefa voahaja
tsara ny endrika nananany talohan’ny nahamay azy. Io vatosokay atao andrintrao
io koa anie tsy maintsy rakofana hazo mba ho toy ny teo aloha ihany fa hafa
kosa aloha ny hamafiny amin’izay fotoana izay. Mitohy ihany ny asa na dia re
aza fa mbola tsy ampy be dia be ny vola enti-manao amin’ny fanarenana azy.
Tsy manome ary tsy hanome rariny ny ataon’ny sefom-pokontany eto Antananarivo renivohitra amin’izao fotoana izao mihitsy aho. Heveriko fa toy ny amporisihana ambadika ireo karazan’olona ireo manao io fihetsika fitakiana amin’ny karamany ny karaman’ny mpitantsoratra io. Ataoko ahoana tokoa moa aho no terena handoa ny karaman’izay fantatra fa tsy vonona ny hiara-miasa amiko akory no tsy izaho no nanendry azy rehefa tsy fidin’ny vahoaka mivantana ihany?
Saingy tsy manome rariny ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra kosa tamin’ity tranga hitako tao Analakely androany zoma ity. Ekeko fa misy tokoa ny fiezahana hanao zavatra tsara izay hita eo andohan’Analakely amin’izao fotoana izao fa ahoana kosa ny amin’ity zavatra atao hanakonana tanteraka ny zaridainan’ny 13 mey ity? Nolazain’ny Radio iray fa hametraka ny vato fehizoron’ny lapan’ny tanàna ny Ben’ny tanàna amin’ny 13 mey ho avy izao. Tsy fefy fanakonana anefa no hitako atao eo fa takelaby goavana dia goavana taratra toa hanaovana dokambarotra. Nahoana no takonana tanteraka ny zaridaina? Raha mba paikan’ny tiko mametraka takelaby anaty zaridaina mila tsy ho lefitra ihany fa ilay haingo manontolo takonana dokambarotra kosa tsy mety mihitsy.
Ninia nanontany ilay tompon’andraikitra hitako teo aho hoe atao inona io fa dia mody fanina koa ranamana mamaly hoe ny manangana aloha no fantatro fa tsy fantatro hoe atao inona io. Nampiahiahy avy hatrany izany satria lasa izy avy eo nankeo amin’ny gropy ampiasaina hampitohizana ireo andrin-takelaby ireo. Ny fiaran’ny Injet koa moa tsy miafina rahateo.
Hita mihitsy ny fahaizan’ny filoha na izay manolotsaina
azy amin’ny zavatra ataony ankehitriny. Efa malaza loatra amin’ny
fampahalalam-baovao fa tsy hotazonina ho minisitra intsony ohatra ny Minisitry
ny fampianarana Radavidson Andriamparany, ary izy irery ihany aloha amin’izao
fotoana izao fa mbola mihantona ny amin’Atoa Ramiaramanana Patrick dia ny andro
mialoha ny tsy ivoahan’ny gazety no hampitany vaovao amin’ny rehetra. Amin’izay
fotoana izay dia tsy misy gazety milaza ny heviny fa fampitana amin’ny
alalan’ny vaovao an-tsary amin’ny valo ora alina ihany no ahitan’ny rehetra
azy. Rehefa tonga moa ny afaka ampitson’iny dia efa tsy mahataitra ny be sy ny
maro intsony ny lazain’ny gazety. Tsikaritra izany toe-javatra izany raha
namoaka ny lisitry ny loholona andro sabotsy izy ary dia mbola narahin’ny
famoahana ny fanitsiana ny lisitry ny mpikambana amin’ny governemanta indray
avy eo.
Tamin’ny 30 avrily 2008 lasa teo tokoa manko no namoahan’ny
filoha indray ireo mpikambana ao amin’ny governemanta izay tsy nisy fanovana
loatra ankoatra ny fanalana minisitra iray sy fanoloana minisitra roa lasa
loholona (Ivan Randriasandratriniony sy Tsiandopy Jacky Mahafaly). Saingy
anarana dimy vaovao indray no re nandritra izany fotoana izany ary ny iray moa
tsy voaraiko afa-tsy ny Fanampin’anarana izay mbola mety ho diso ihany koa. Ho
an’izay mbola tsy maharaka aloha dia aleo soratana ihany ireo vaovao ireo.
Ireto avy izany:
Abdou Salame : Minisitry ny asam-panjakana sy ny lalàna
sosialy.
Pierrot Botozaza : Minisitry ny fitaterana
Stangeline Ralambomanana Randrianarisandy : Minisitry ny
fampianarana
Yin Vah Zafilahy : Minisitra lefitra fampianarana ambony
Armand Panja ... : Minisitry ny fambolena
Mazava loatra fa somary nihena ny andraikitry ny minisitra
lefitra teo aloha satria ny resaka fananantany sisa no tena iandraiketany.
Manaraka izany dia niresaka momba ny fihaonana tamin’ny
FMF (Federasiona Malagasy ny baolina Fandaka) ihany koa ny filoha ka nanambarany
fa tena tompon’andraikitra tamin’iny lalao niteraka korontana iny ny FMF na dia
manilika azy ho amin’ny ekipa nanomana azy ihany aza (Ajesaia). Nolazainy ihany
koa fa tsy fanao ny miverina amin’ny fanapahan-kevitra noraisina. Inona moa no
azo ambara fa dia mihaino fotsiny izany.