Miarahaba ny rehetra nahatratra ny fitsingerenan'ny niverenan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara indray, ary ankoatra izay dia ny faha-50 taonany mihitsy no atrehina. Na inona na inona mitranga sy mihatra tsy maintsy mahatsiaro ny tanindrazako mandrakariva aho sy mirary soa ny mpiray tanindrazana amiko na mitovy hevitra amiko izy ireo na mifanohi-kevitra amiko. Samy tompon'ity Madagasikara ity ary samy manana andraikitra sy adidy aminy ihany koa raha mbola mahatsiaro ho olona mizaka ny zom-pirenena entiny. Ny eo amin'ny itondrana azy no mampisara-tsaina fa anjaran'ny tsirairay no mandresy lahatra ny hafa raha mbola azo atao ihany koa izany mifandresy lahatra tsy asiana herisetra izany fa mahay mifampiresaka kosa. Izay no ela fa hitodika amin'izay votoatin'ny tiako hosoratana amin'izay aho.
Tsorina aminareo mpamaky rehetra fa efa ela no nangidihidy ny tanako hanoratra ity taratasy iray ity fa noho ny saina miady dia miady dia feno fisalasalana tanteraka aho. Vokany anefa dia lasa tsy mahavita zavatra hafa mihitsy aho, ka anisan'izany ny fandikana vaovao hitanao ao amin'ny
Global Voices Online ho amin'ny
teny malagasy. Manitsy ny an'ny hafa sy mamoaka izany fotsiny hatreto no vitako. Ankoatra izay dia hitanareo fa lasa mahalana ihany koa aho tao ho ao vao mahatafavoaka lahatsoratra hovakianareo. Ny tena manakana ahy tsy te-hamoaka izay hosoratako etoana dia ny nametrahako hatramin'ny voalohany tao anatiko tao fa tsy hiresaka na inona na inona amin'ny asa fanaoko andavanandro ho hitanareo eto amin'ny bolongana mihitsy aho ary tsy te-hanohintohina velively ny orinasa izay iasako (raha misy ianareo mahalala izany orinasa iasako eto Madagasikara izany dia miangavy mba tsy hiteny izany eto na hitantara any an-kafa satria tsy te-hanala baraka azy velively no ataoko eto fa ny hilaza ny alaheloko ihany, efa nesoriko aza moa ny momba ilay asako sy ny orinasa iasako ao amin'ny facebook sao misy misavasava any ianareo tpt). Tratran'ny tsy azo anoharana aho amin'izao fotoana izao: hijanona tsy hanoratra intsony ve ho sandan'ny fahanginana sa hizaka kosa izay fiantraikan'ny soratra izay anisan'ny maha-izaho ahy sy itondrako ny anarana hoe Jentilisa? Dia indro aho hanoratra ilay saika taratasy misokatra...
Andriamatoa Tale,
Miarahaba anao amin'ny alalan'ity taratasy eto ity aho Andriamatoa tale amin'izao fetim-pirenenay izao satria raha ny marina tsy tiako ho hitanao ilay taratasy fa tiako ho ahy samirery, navoakako teto ihany anefa ilay izy hahafantaran'ny olon-kafa fa nanana adin-tsaina maro dia maro aho ka ny iray ihany no tantaraiko etoana. Nataoko amin'ny teny malagasy ihany koa ilay izy na dia fantatro aza fa tsy mahay izany tenin-drazanay izany ianao sady tsy te-hianatra izany mihitsy satria tsy tiako ho azonao izay ambarako ary faniriako ihany koa ny tsy handikan'ny hafa sy ny tsy hitateran'ny hafa izay soratako etoana ho anao anefa. Izay angamba ilay hambom-po ato amiko izay mifandraindraika amin'ny teny hoe hambom-pom-pirenena izay dradradradraina ankehitriny. Izany eo ihany fa tsy dia voafehiko loatra ny teny frantsay ka manjary lany fotoana aho hieritreritra izay rehetra tokony hosoratana rehetra.
Tsy izany manko Andriamatoa tale fa maro dia maro ny mpiara-miasa no naniry mba tsy hiasa amin'ity andron'ny 26 jona 2010 ity, ary efa nisy aza, hono, ny solontenan'ny mpiasa no nihaona taminao nanao izany fangatahana izany saingy indrisy moa nolavinao izany. Niteraka alahelo tamin'ny maro izany, tsorina aminao, satria taloha manko na niasa aza izahay andro tahaka izao dia nanana fifaliana ihany rehefa misy ny fizarana vorona na zavatra hafa ho entina any amin'ny fianakaviana. Tamin'ity indray mitoraka ity anefa dia tsy nisy mihitsy na dia iray aza mari-pahatsiarovana ilay fety. Izaho manokana aloha tsoriko aminao fa faly amin'izany toe-javatra izany aho na mety hahatezitra ny mpiara-miasa aza izany filazako izany. Nahoana? teneniko fotsiny ireo mpiara-miasa ka mifampiresaka amiko hoe porofo izao fa tsy mahaleo tena izany i Madagasikara ary misy ny mpandraharaha vahiny tsy mahalala izany fiandrianan'i Madagasikara izany.
Ekeko tokoa fa efa fahazarana ato amin'ny orinasa ny miasa hatrany na dia andro fety aza saingy mba hitan'ny maro ihany fa maro ny tompon'andraikitra ambony no tsy mandia ny faritry ny orinasa amin'ireny andro tsy fiasan'ny ankamaroan'ny olona ireny. Raha mba miasa avokoa anie ny ambaratonga rehetra mety ho tsy dia maninona loatra fa raha maro ianareo any ambony any no tsy hita miasa andro fety manjary mampieritreritra anay hoe dia efa tena fanandevozana kosa raha izany. Maromaro ihany ny ato amin'ny orinasa no tsy miasa ny alahady fa ny tenako kosa dia anatin'ilay miasa na dia alahady aza... Vokany ho anay, izahay ilay tsy mba hita mihitsy rehefa misy ny fivoriam-pianakaviana na fihaonan'ny mpianakavy eny fa na dia amin'ireny fitsangatsaganana fanaon'ny besinimaro alatsinain'ny Paska na alatsinain'ny Pentekostra ireny aza. Tsy fantatry ny fianakaviana intsony izahay rehefa fety sy fotoan-dehibe. Toy ny hoe tsy misy izany ankohonana sy fianakaviana izany ho anay...
Fa dia aiza loatra ny fototry ny alahelo satria efa niasa hatrany ny andro fety ka izao vao tsy zaka izany? Moa va mba fantatrao Andriamatoa tale fa efa malaza loatra ilay tsaho hoe ampiasaina indray izahay ny krismasy sy ny taombaovao izay hany fety tsy niasanay tao anatin'ny telo taona izao raha niasana hatrany izany taloha? Raha naka toky hoe ireo solontena hoe miasa sa tsy miasa amin'ireo fotoana ireo dia nolazaina fa mbola ho ela izany fa ho hita eo ihany... vao maika nampitombina ny ahiahin'ny mpiasa hoe tena ho ampiasaina izany. Izao ka heno indray fa misy izany teny midina izany fa raha tsy misy mihitsy ny taratasy avy amin'ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny asantsika na didy hitsivolana avy amin'ny governemanta hoe tsy azo atao ny miasa na misokatra amin'ny andro voatondro dia misokatra sy miasa hatrany... Na ny Shinoa malaza ho mpanalika ny mpiasany aza toa tsy sahy manao ny mpiasany tahaka izany saingy fantatro avy hatrany ny valiny hoe mandehana miasa any amin'ny Shinoa.
Izao tokoa angaha ny tambin'ny fananana ny asa hatramin'izao, tsy anisan'ireo nesorina na nanala tena nandritra ireny krizy ireny. Na izany aza Andriamatoa tale dia manoratra ihany aho hoe mba hajao, tompoko, ny zo fototra mahaolona fa mba manana ankohonana toa anareo ihany koa ary manana zo hiara-paly amin'ny ankohonana sy ny fianakaviana ary hatramin'ny firenena ihany koa aza izahay. Tsy maninona raha lazaina fa tsy manana ilay hambom-pom-pirenena izahay ary tsy manana ilay fitiavan-tanindrazana matoa tsy mahasahy manohitra imaso anao amin'izao fampiasana anay amin'ity fankalazana ny faha-50 taona ny fiverenan'ny fahaleovantena izao satria na izahay samy izahay aza tsy mety miray hina ka misy ny sasany mitati-bolana tamin'ny dingana nataon'ny delege hafa izay voasoketa ho manala baraka ny orinasa. Tsy fantatro intsony moa na ny orinasa no manala-bara-tena amin'ny zavatra ataony na ny delege SASANY no mba te-hiaro sy hanandratra kosa ny zo sy ny hajan'ny mpiasa nefa dia ampihorohoroana indray fa na izany na tsy izany alahelo anaty fety aloha no zakaina amin'izao fotoana izao. Tsy fantatro intsony na feno izay voasoratra izay na mbola misy ny adino fa atsahatro amin'izay aloha.
Raiso, Andriamatoa tale, ny haja ambony atolotro anao.
Jentilisa, Asabotsy 26 jona 2010 amin'ny fito sy folo maraina eto Antananarivo.
Hiresaka zavatra tsy dia mahazatra ny mpandala ny ara-dalàna sy ny mpanaraka ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana loatra aho nefa dia toy ny malaza dia malaza tokoa izy ity any amin'ny fironana hafa sy any amin'ny sehatra hafa any. Amin'izao toe-java-misy eto amin'ny firenena izao manko dia hevitra milentika dia milentika tokoa ho an'ny mpomba ny fitondrana ankehitriny ny hoe manaparitaka vola araka izay tratra i dada (Marc Ravalomanana io) hanakorontanana ny firenena, tsy hampilamina azy sy tsy hahazoan'ny fitondrana fankatoavana iraisam-pirenena.
Malaza any fa voavidim-bola ireto lazaina fa mpandala ny ara-dalàna ireto, mirarakompana ny vola zaraina isan'andro eny amin'ireny fihaonan'ny mpandala ny ara-dalàna ireny matoa izy ireny mazoto dia mazoto. Ao indray ny filazana fa mandray vola na mikarama ireo mpitarika ireo fa dia manaiky hambakainy fotsiny ireo mpitolona tsotra mafana fo. Dia re koa avy eo fa nandray vola tany amin'i dada ireto mpitarika ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana ireto matoa manao izao zavatra ataony mitarika vahoaka "hanakorotam-panjakana" izao. Azo fehezina hoe matoa misy zavatra mitranga izay dia ny vola, ny vola ary ny vola hatrany no hery manetsika ny mpandala ny ara-dalàna, ny Hetsiky ny Mpitondra fivavahana ary izay mety ho hery rehetra manohintohina azy ireo.
Avy aiza moa no nampalaza izany resaka izany? Lalana iray na roa mifampitohy ihany no fantsona manapariaka ny filazana fa mpanaparitaka vola hanakorontanana ny firenena tsy mampitobina azy hatramin'izao i dada. Voalohany amin'izany ny fampahalalam-baovao ambava sy an-tsoratra ary an-taratasy ary ny faharoa manaraka izany izay somary an-takonana ihany dia ny fiangonana.
Misy fampahalalam-baovao vitsivitsy tsy menatra mihitsy ny mandainga sy mamorom-baovao ho fanasoketana fotsiny sy ho fanaratsiana olona mba ho toy ny tena fahavalo izay haratsian'izy ireo ary hanana fankahalana izany olona na sokajin'olona na vondron'olona izany ireo mora rebirebena ao amin'ny mpanohana azy. Ny Malagasy rahateo mora mirona amin'ny fo ka tena angadin'ireo manana talenta amin'ny fanaovan-gazety ny manararaotra hanome fo ny olona fa tsy ny hampiasa saina azy velively. Ohatra farany mety ho hitanareo ihany ny filazan'ny gazety iray fa noho ny baiko nataon'ilay mpitandrina izay any amponja fa nosamborina nandritra iny any raharahan'ny FIGN tamin'ny 20 mey iny no nitorahan'ny sasany ny biraony... henon'ny iray amin'ny mpanao gazetiny mihitsy hoe ny baiko nataony tamin'ny finday. Izany dia tena tsy misy henatra mihitsy ary mampihevitra ny mpitandrina ho jiolahim-boto mpanimba fananana. Ry zareo tokoa moa no mifehy ny fampitam-baovao ka dia izay tiany atao ihany io saingy mbola hampahatsiarovana azy ireo ihany izany amin'ny androny. Lahatsoratra eo akaiky eo indray ny fahagagany fa misy ny gazety zaraina maimai-poana nefa dia tsy misy dokambarotra ihany koa ao anatiny ao eny amin'ny fivarotam-boky eny dia misy fehezanteny tsipalotra moa milaza fa "tsy mbola lany ny volan'i dada" matoa misy izany, avy eo moa dia mandokandoka ny mpamaky azy izy izay mpamaky mpisaina sy mpandalina moa araka ny filazany ary matoky azy ireo mahasahy mividy lafo ny gazetiny. Rehefa hitako ilay gazety dia tena feno dokambarotra tokoa, ary io no tena fampidiram-bolany. Heveriko rehefa nojerena ny mombamomba azy dia an'ny vondrona Andriatsitohaina (manana ny gazety taratra sy les nouvelles) ilay gazety nolazainy ary miezaka ny tsy hitongilana mihitsy izy fa na ny an'ny mpanohana na ny an'ny mpanohitra dia ambarany soa aman-tsara, eny fa na dia mety hanohintohina ny hafa na ny tombotsoany aza. Fampironana ny olona hisaina moa ireny sorany ireny hanambarany fa tena manambola tsy lany laniana sady nangalariny tamin'ny kitapom-bolam-panjakana rahateo izao dada izao. Tsaroako anefa fa tsy nisy famoahana hoe nisy fanadihadiana ka nisy fahabangana izao volampanjakana dradraodradraina ho nagalarina izao. Ny hita moa izao dia ny halatra bolabola andramena mampalaza ratsy an'i Madagasikara maneratany izao.
Tranga iray nahitako ny hantsana lalina misy eo amin'ny fiaraha-monina saingy tsy nivandravandra izay ny tamin'ny 29 marsa 2010 lasa teo. Tsaroantsika tsara angamba fa nanao fihetsiketseham-panoherana teo anoloan'ny tsangambaton'ny mahery fo teny Ambohijatovo ny mpandala ny ara-dalàna tamin'io andro io. Mba hanatrika ny fotoana koa izy ireo hampiseho ny fisiany izay toa notsinotsinoavina. Tonga ireto mpanohana azy dia ireo mpiambina ny afovoan-tanàna ka mahazo alalana matory sy milalao eny amin'ny zaridaina nahafinaritra teo aloha fa nosimbainy tanteraka ary voatery nofefena mihitsy aza sy mahazo alalana hatory eny rehetra eny sy hangatangataka amin'ny vahiny ary manao maloto eny amin'izay tiany hanaovana azy dia hifanandrina amin'ireto hanambara ny fisiany ireto. Vao nikasintanana sy nanositosika dia namaly bontana avy hatrany ny mpandala ny ara-dalàna, raikitra ny sakoroka satria nihevitra ho nanana ny hery manko izy ireo fa tsy voakitikitika hatramin'izay, voatery nitsoa-pahana mihitsy ireo nila sotasota ka naka ny ilany atsinanan'ny kianjan'ny maritiora 1947 avy eo. Ny fahatongavan'ny mpitandro ny filaminana no nampilamina azy fa raha tsy izany dia asa fotsiny izay nitranga. Avy eo amin'izay dia takoritsika teo amin'ireo hafa tsy miaraka amin'ny mpandala ny ara-dalàna fa tonga teo hanohana ny filohany ny filazana fa misy fizaram-bola mirarakompana ao amin'ireo mpandala ny ara-dalàna ireo, sy ny voakarama izy ireo hanakorontana ny lanonana teo... Mody somary nisisika teny anefatsefan'izy ireny manko aho fa tsy dia mbola be mpahalala loatra moa no naharenesako izany resaka teo amin'ny samy tanora nanatrika teo. Entiko ilazana io tantara io fa mihalalina ny hantsana eo amin'ny fiaraha-monina ary mpifanena fotsiny ny samy Malagasy fa samy misy voam-pakahalana ihany any amin'ny tsirairay any. Dia mbola horanitina hatrany ve izany?
Ny tsikaritro mandray anjara amin'ny famafazana lainga ity ihany koa dia ny fiangonana amin'ny alalan'ny famoahany ireny fanambarana ireny. Samy manana ny fironany ny fiangonana tsirairay, zony izany ary tsy rarana amin'izany izy fa ny tsy lefitro kosa dia ny filazana zavatra tsy mitombina na tsy ananana porofo fa dia toy ny hoe ka efa fantatry ny besinimaro izany dia mba miteny koa izy, tsy mendrika amin'ny maharaiamandreny izy raha manao izany. Zony ny milaza fa nandritra izay 50 taona niverenan'ny fahaleovantena izay dia nisy tokoa ny zavabita dia tanisainy amin'izay izany ka noezahiny tsy notononina izay tena nalaza nandritra ny fito taona farany... zony izany fa tsy azo ekena kosa ny filazana ao anatin'ny fanambarana ny fa misy olona manaparitaka vola hanakorontanana na tsy hisian'ny fandriampahalemana eto amin'ny firenena. Satria ve izany no ambaran'ny gazety mpandainga dia lazaina ihany koa sa eo ampelatanana ny porofon'izany? Maninona raha mba ambara fa samy mpitandro ny filaminana izao ohatra ka samy nandrava ny "fiokoana" tetsy Andrainarivo no misy mandray vola be tokoa ary nomen'ny milaza azy ho mitondra ny firenena amin'izao fotoana izao izany, nefa dia misy tsy re mihitsy izay tambiny azony tamin'ny fandraisany anjara teo. Soa moa fa hain'ireo mpitantana ny tetezamita ireo ny nanambitamby ny hery mitam-piadiana rehetra tamin'ny nanomezana azy ireo 100 000ar tsirairay avy... noho ny fetin'ny reny angamba na tsy azoko loatra fa mpitandro ny filaminana no nilaza izany taminay (satria maromaro izahay no nilazana izany).
Noho izany, tranga miverimberina mila melohina ny famafazana lainga ataon'ny gazety isankarazany sy ny fiangonana sasantsasany ary takiana ihany koa ny hampitsaharana azy mba tsy hanampy trotraka indray ny hantsana efa lalina misy ao amin'ny fiaraha-monina.
jentilisa voalohany jiona 2010
Miditra eo amin'ny fetiben'ny baolina fandaka ny eran'izao tontolo izao nanomboka androany 10 jona 2010. Hiara-hianoka izany avokoa ny rehetra, eo ambodin'ny fahitalavitra indray no handanian'ny ankamaroan'ny lehilahy ny fotoanany mandritra ny iray volana. Raha mandritra ny andro voalohany isian'ny lalao no mahazatra ny olona hahitana ireo lanonam-panokafana sy ny fihetsiketsehana isan-karazany dia androany (alakamisy) kosa no hanombohana izany fety isan-karazany izany ao Afrika Atsimo ao, rahampitso (zoma) anefa no hanombohan'ny lalao fanokafana.
Marihina fa iniako soratana ny andro satria alina fanindroany misesy aho izao no tsy mahazo serasera mihitsy na ny bitika aza. Nanandrana nandefa ny solosaina indray aho tamin'ny atoandro ka nanandrana ny aterineto fa dia nandeha soa aman-tsara ilay izy. Ny atoandro anefa ny tena dia miasa any amin'ny orinasa ka tsy mampiasa loatra ny serasera ato an-trano. Nohararaotina ny namoahana ilay lahatsoratra nitaterako ny dia iray volana lasa izay. Ny alina no tena ilàna ny serasera saingy tsy misy na inona na inona azoko atao amin'izao fotoana anoratana izao. Noho izany, tsy afa-mitsara izay lahatsoratra tokony hivoaka ao amin'ny Global Voices Online aho ary tsy afa-manaraka ihany koa izay vaovao hafa tiana hovakiana hatraty an-trano. Fahasorenana tsy misy tahaka izany aloha fa dia toy ny hoe kamo angamba ny hiheveran'ny namana ahy rehefa tsy tafavoaka ny lahatsoratra tokony hivoaka na tokony handika lahatsoratra ho amin'ny teny malagasy ihany koa ny tena.
Hafahafa ihany ry zareo raha tsy afa-miserasera aho ny alina fa ny atoandro izay iseranako fotsiny indray no mandeha soa aman-tsara ilay aterineto. Resy lahatra tanteraka aho fa tsy avy aty amiko kosa angamba ny olana fa any amin'ny orinasa mpanolotra ny fahafahanay miserasera. Izaho kosa anefa tsy handeha ho any amin'ny cybercafe velively satria andoavam-bola ihany koa ity serasera an-trano ity ka efa voatokana ny vola hiseraserana. Tezitra aoka izany ny tena ka niantso ny laharan'ny sofin-davitra nomena hikarakara anay mpampiasa aterineto. Lany fotsiny ny telo minitra sy sasany amin'ilay feonkira famantarana azy iny vao nisy niteny fa mbola sahirana avokoa hoe ny mpiasa ka afaka kelikely indray miantso. Dikan'izany tsy izaho irery ihany no manana olana na tsy miraharaha mihitsy izay miasa alina ao amin'io orinasa io fa mety misy zavatra tiany atao ka ny aty aminay aty no analany vonkina tsy avelany miserasera. Na nahazo baiko mihitsy ity orinasa mpanolotra serasera ity hanakana ny fahafahan'ny olona rehetra mampiasa ny tolotra ataony ao anatin'ny andro (alina no marina kokoa) vitsivitsy. Ilay namana an-tserasera anankiray izay tsy mpitovy hevitra politika amiko matetika moa dia efa nanoratra tany amin'izy ireo mihitsy ka asa na efa nahazo fahafaham-po izay na tsia fa ny ahy dia izao mamoaka lahatsoratra izao no ataoko.
Saiky tsy hiraharaha loatra aho satria efa nametraka fotoana hijerena fahitalavitra hanaraka izany lanonam-panokafana mondial 2010 izany. Nandrasana ny tamin'ny tamin'ny enina ora hariva (18 ora) GMT na ny tamin'ny sivy ora alina (21 ora) eto Madagasikara mba handefa izany ny TVM kanjo moa ny fandraisan'ny filohan'ny FAT ireo Ambasadaoro no nataon'ny TVM ho rehareha tao... mbola vaovao an-tsary ihany hay. Hatezerana ny ahy nahita izany nefa faly indray aho fa tsy ho izaho irery no ho tezitra fa hiara-tezitra amiko avokoa ireo mpahara-baovao eto an-toerana ka mahalala io fotoana io na mpanohana izy na mpanohitra ny fitondrana. Dia notohizako ny eritreritro hoe tokony hataon'izy ireo tahaka izao hatrany isaky ny misy baolina ireny ka rehefa tapitra mihitsy ny vaovao an-tsary vao alefa ilay mivantana avy any Afrika Atsimo. Enga anie tsy ho sahy hanao izany ry zalahy ireto fa raha sahy... tsy haka lagy kosa angamba ny mpankafy fa mba manofa any amin'ireny mpampita azy ireny na mividy ireny tandrom-pandraisana (antenne) sahafabe mitentina 400 000 ariary ireny dia mahazo fahitalavitra an-jatony hojerena.
Fa dia inona loatra no anton'izao tahotra izao e? Tombatombana ihany no havoaka eto fa nisy ny gazety malagasy iray nanamarika fa nahazo fanasana hanatrika ny lanonam-panokafana ny filoha Ravalomanana Marc, koa ahiana dia ahiana ny hahitana azy mivantana amin'ny fahitalavitra ka aleo tsy alefa mihitsy ilay fandaharana fa mahadikidiky amin'ny olona. Dia faniriana miafina ao amiko indray ny hoe aleo hanatrika ny ankamaroan'ny lalao rehetra mihitsy ilay rangahy io dia ilay baolina mihitsy no tsy alefa. Ireny any amin'ny famaranana ireny indrindra no tena hanaovana izany fa dia asa fotsiny ny fanapatapahana ny mivantana dia mody lazaina avy eo fa tsy tonga teto Madagasikara ny sary avy any amin'ny zanabolana. Na izany na tsy izany aloha ny zava-misy dia sady tsy mahazo aterineto mihitsy aho no tsy hisy olona handray ahy hikarakara ny fahavoazako izao alina izao nefa mety handeha soa aman-tsara indray izy ny atoandro fa dia lasa lavitra ny fanahiana fandrao tena ny fahafahako miserasera mihitsy no sakanana tsy hahafahako mamoaka izay kasaiko ho hitan'ny besinimaro.
Jentilisa, Antananarivo 10 jona 2010 tamin'ny 22:44
Fanamarihana faramparany: Androany sabotsy maraina indray aho vao nahazo fiseraserana indray. Enga anie mba tsy ho marina ny ahiahiko hoe nosakanana amin'ny fmba ankolaka aho fa mba ho nisy fahavoazana tokoa nyhosinamitondra izany serasera izany ka izao vao tafaverina amin'ny laoniny izany serasera izany. Hatramin'ny alarobia mankamin'ny sabotsy izany dia tsy afa-niserasera loatra aho.
Na raha atao lavalava kokoa ny lohateny dia izay rehetra azo notsoahina tamin'ny fihaonana natrehina tany Santiago de Chile. Raha izay ny lohateny natao tsy midika velively izany fa tsy nisy zavatra azo noraisina tany fa maro tokoa ny nahaliana tany na izany tamin'ny fivoriana na izany ilay toerana na tanàna nanaovana fivoriana mihitsy. Mampivoitra kosa aho ny tsikaritra sy ny zava-dehibe tamiko nandritra izany dia naharitra herinandro izany. Efa nihoatra ny iray volana sahady manko ilay fihaonana nefa tsy mbola azon'ny mpamaky eto akory ny voandalana avy amin'izany. Manararaotra ity tsy fahatomombanan'ny fiseraserana izao ity loatra aho vao tery hampahatsiahy izany vovonan'ny avy eo amin'ny Global Voices Online izany... Tsy maintsy misy tohiny hoe Online ny resaka eto fa zavatra hafa no mivoaka raha vao ny teny roa voalohany ihany no ikarohana rohy sy vaovao.
Santiago de Chile no anaran'ilay tanàna notsidihina. Maromaro ihany manko ny anara-tanàna antsoina hoe Santiago manerana izao tontolo izao ka dia io no anarana fanonontonon'ny mponina any. Raha tononina araka ny fanonona malagasy moa dia manao hoe Santiagô de Tsìle sady tsy moana ny "e" farany no tsy tononina mafy ihany koa, eo amin'ny "i" ny tsindrim-peo hanononana azy. Toy ny anaty koveta ihany ilay tanàna satria hodidinina tendrombohitra avo dia avo tokoa ny renivohitra. Maro dia maro tokoa ny sekoly tazana ao amin'ity tanàna ity ary misimisy ihany koa ny fiangonana (katolika) saingy vitsy dia vitsy ny mpivavaka hitanay tao amin'ny Katedraly raha nitsidika tao izahay ny alahady maraina. Maro dia maro ny mpianatra tazana rehefa mirava ry zareo, mitady hifanahatahaka ny Lisea na izay mitovy amin'ny Lisea aty amintsika sy ny Oniversite ary ny dingana mialoha ny Anjerimanontolo na Preoniversite ao amin'ity tanàna ity. Rehefa mivezivezy ny afovoan-tanàna ianao dia tahaka ny tanànan'ny mpianatra no tsinjonao hivezivezenao. Ahitana ny sehatry ny fandraharahana isan-karazany anefa ny toerana ary maromaro ihany ny banky sy ny toera-mpanakalozam-bola hitanao. Ny mponina indray amin'ny ankapobeny dia mitovy halava amin'ny malagasy amin'ny ankapobeny mihitsy na ny lahy na ny vavy nefa dia tafita hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka erantany amin'ny baolina fandaka ry zareo.
Ao anatin'ny faritra fakana sary na azo akana sary ny toerana fivezivezenay ka nahafinaritra tokoa ny nandeha taminy. Midadasika tokoa ny arabe, nefa tsy ambakan'izany ny lalan'ny mpandeha an-tongotra. Tsy sarotiny taminay naka sary loatra ny mpitandro ny filaminana na mpiambina sivily mety ho hitanao na haka ny sarin'ny Lapan'ny filoham-pirenena ianao na halaina sary eo ihany koa, na haka sary izay rehetra hitanao any amin'ny tranom-bakoka. Ny olana taminay dia ny tahotra satria efa zatra loatra ny fandrarana maka sarina toerana na trano mahafinaritra izahay ka natahotra tamin'ny voalohany. Asa izay hahazo anao raha hoe eo anoloan'Ambohitsorohitra ianao no haka sary angamba, nefa izahay dia tsy naninona mihitsy ary tsy nisy niteny na dia teo anoloan'ny Palacio La Moneda (io ilay Lapam-panjakana iasan'ny filoha Chilena fiantso ny mponina any) aza no naka sary. Tsy nisy niteny anay ireo mpiambina ny banky samihafa raha naka sary azy ireny noho ny hankatony izahay, nefa manandrama anie ianao maka sary manakaiky banky raha tsy tabataba no ho azonao tahaka ireny hoe haka ny planin'ny banky ireny angamba ianao raha eto Madagasikara aloha. Indray maka moa teo Madagasikara dia azon'ny filazana mihitsy aho hoe fafao daholo ny sary azonao teo rah atsy tiana alaina ny fakantsarinao. Dia tsy haiko loatra aloha fa eo amin'ny tontolo frantsay sy amerikana angamba no tena be fandrarana tsy mahazo maka sary toerana izany fa tany Chile aloha izahay na miara-maka sary amin'ny mpitandro ny filaminana any aza tsy olana mihitsy.
Raha mahatsapa toy ny mafana antonony ihany aza izahay dia somary mahavariana ihany ny mahita ny mponina miaro ny tenany fatratra tsy ho azon'ny hatsiaka angamba sy ny fahamaroan'ny olona miakanjo mainty (tena niavaka mihitsy io akanjo matroka io). Raha mahita olona mpiborosy kiraro fahita any Amerika Latina ianao dia somary malotoloto kiraro kosa ny tanora any (misimisy ny manao tenisy malotoloto fa tsy rovitra). Tsy mahamenatra ny olona any ny mifampitantana sy mifanoroka ary mifampitsôda na dia eny an-dalambe aza. Nisy aza moa nilaza fa fahafinaretana ho azy ireo mihitsy izany hoe misy mijery izany ry zareo amin'iny fifanorohana lavalava iny. Gaga ny vahiny raha nahita io fihetsika io ary gaga ny Amerikana Latina raha nanao io fanamarihana io izahay, toy ny zavatra mandeha ho azy io any amin-dry zareo, nefa nisy ihany ny lasa vinany rehefa nolazainay ny langolangom-pitiavana tsy mahazatra anay vahiny indrindra fa ny Arabo, ny Aziatika ary ny Afrikana (ao anatin'ny Afrikana ny Malagasy) ka nanao hoe toa misy fanambaniana ny vehivavy tokoa ilay fihetsika.
Zavatra tsikaritra ihany koa dia ny tsy fahaizan'ny olona any teny anglisy na dia ny bitika aza fa dia teny epaniola ihany ho hainy. Raha mahay teny espaniola ianao izany dia tsy hanana olana fa izahay tsy mahay tsara afa-tsy ny teny fantsay koa aloha dia tena vahiny tanteraka tamin'ny toerana. Na eo aza anefa izany tsy fahaizana teny espaniola izany dia tokony ho tsy very mihitsy ianao raha manana sarintany ka mahay mamaky teny. Mameno ny tanàna mihitsy ny anaran'ny toerana izay diavinao indrindra moa fa eny amin'ny metro (izay tsara lavitra noho ny tany Paris hitako ny an-dry zareo no madio tokoa) ianao. Tsy misy manala na mangalatra ihany koa ny takelaby misy ny anaran-dalana sy ny laharan'ny trano ka tsy mahay anarana hotely na trano anavahana toerana toy ny ny hoe Vatobe na akondro na Mascotte na CCAC loatra ny mpanamory fiarakaretsaka raha ohariko amin'ny zavamisy eto Madagasikara ilay izy fa ny anaran-dalana sy ny laharan'ny trano ihany no miresaka any amin-dry zareo. Toy ny midika ihany izany fa mipetraka ihany fandaminana sy ny fandrafetana ny tanàna.
Hatreo aloha fa mety hisy tohiny indray angamba!
Jentilisa 09 jona 2010 amin'ny 00:23
Ainga namelombelona ny fon'ny mpitolona indray ny hiran'Ny sakelidalana mitondra ny lohateny hoe Tao anatin'ny tolona. Toa mifanaraka amin'ny zavamisy iainana anatin'ny tolona indrindra manko ny tonokira ka ireo tena mpitolona ihany no mahatsapa ny halehibeny sy ny fampaherezana ao anatiny. Toy ireny miaina tanteraka ao anatin'ny vanim-potoanan'ny 1947 ireny indrindra isika raha henoina ny tonokira satria hira natokana ho an'ny tia tanindrazana 1947 izy iny. Indro jerentsika sy vakiantsika anie ilay hira nampavitribitrika tampoka iny rehefa avy nidiran'ny miaramila efa-dahy ny Kianjan'ny Finoana teo amin'ny Magro Ankorondrano (Somary nahitsiko eo amin'ny lahatsoratra ambany).
Fa tao anaty aizim-pito
Nandrenesana antsoantso
Feo nihiaka nikiaka fahafahana e!
Injao manakoako
Ren'ny tany manako eran-danitra e!
Ny kotroky ny basy
Nefa tsy kivy
tsy kivy
Tsy kivy
tsy miato
ireo MALAGASY MITOLONA.
Fa tao anaty aizim-pito
Nisy ra nipatrapatraka
Ny fahafahany mantsy no zahany
madio mangatsakatsaka
Nefa ra mikoriana mamonto tony tany
no setrin'izany
Fa tanam-polo
ihany
no hany fiadiany
Hahatomombana izay notakiany
Fa iry ery an-danitra
ilay masoandro
Efa lasa tara-pahafahana
Ireo lavo
Efa samy ravo
Ny fanahin'ireo maritiora mifaly
Ny todin'ny ra niombonana mantsy
tsy azo takonana intsony
Mazava loatra fa tsy hira vahiny nindramina io fa hira malagasy, nanana ny hakantony sy ny aingam-panahiny. Efa impiry nisedra basy moa ireo mpitolona ireo? Fa impiry no namaly tamin'ny tora-bato ireo olona noenjehina ireo? izany tokoa no hoe tanam-polo no hany fiadiany araka ny hira, impiry nandre feom-basy entina nampihorohoroana izy ireo fa tsy kivy sy tsy niato ireo Malagasy mitolona e! Hira avy amin'ireo sarambamben'ny mpitolona raha toa ka efa elaela ihany no nisy nampifandray ity hira ity amin'ny tolona izay atrehiny.
Fa angaha izay ihany? Moa va efa nahita ny lahatsarin'izy io ianareo? Izay efa nahita tamin'ny fahitalavi-pirenena tamin'ny androny moa mahatsiaro ny toerana nandraiketana azy ve? Trano rava eny ambanivohitra eny no nanatontosany azy. Ary ireo mpitolona mavitrika kosa aiza ho aiza no mihira azy? Eo anoloan'ny trano ravan'ny mpandroba indrindra, toa vao maika nampisy fietanam-po bebe kokoa.
Trano rava toa endriky ny firenena rava, (jereo ny rohy) trano gasy raha jerena endriky ny firenena malagasy. Fa tao anatin'io trano rava io indrindra no anaovan'ny mpitolona ny hiaka hitadiavany ny fahafahana sy ny fitakiany hiverenana amin'ny ara-dalàna. Tsy tokony hahatsiaro menatra ve ny mpitondra ny basy raha mandre izao hira izao indrindra fa miverimberina io hira io? Angamba mety hosivanina tsy handeha amin'ny haino aman-jery tahaka ilay "Izay mihitsy" raha izao no mitohy.
Efa akaiky hoe ny mondial 2010 ka ho adinoin'ny lehilahy ny tolona? Ny vehivavy aloha no tena maro an'isa amin'ny mpitolona ka raha toa mahazaka tsy mijery mondial ny mpitam-piadiana dia mety hahafinaritra ny fandehan'ny raharaha. Sa mba ahoana ny hevitrao?