Na mihinana aza mbola ho noana!
Lohateny nalaina avy tamin'ny tononkiran'ny mpihira malagasy iray namerimberina fa: "izay manao ny marina na lavo aza mbola ho tafarina fa izay manaonao foana, na mihinana aza mbola ho noana". Resaka hanina indray aloha ka! Tena hafa mihitsy ho'aho isika Malagasy fa tsy mba mikorapadrapa-poana izany. Maka milamina hatrany satria iaraha-mizaka ny fisondrotry ny vidin'entana ary lazain'ny gazety fa tratran'izany amin'izao fotoana izao ny vidin'ny lafarinina sy ny vary.
Re manko fa raikitra
ny rotaka tao ampita andrefana tao raha nokasaina ny hanondrotana ny vidin'ny mofo, ankoatra ny fisondrotry ny vidin-jiro sy rano io ny androtry ny fanapahana hampanakery ny fanondrotana. Tsy voalohany moa io rotaka io fa fanindroany izay raha araka ny voalazan'ireo olo-tsotra mpitati-baovao avy any an-toerana. Ny nahavariana dia ny fomba nitateran'ny Haino Aman-Jery malaza sy fanaraky ny Malagasy maro azy, notaterin'ny
namana iray atsy ambadika atsy. Efa misy samihafa sahady manko ny voalazan'ireo loharanom-baovao roa ireo. Ny voalohany manambara fa tsy nihetsika ny vidin'ny mofo efa roa taona izao fa ny fifampiantsoana tamin'ny alalan'ny finday sy ny serasera no tena nahafaingana ny hetsika sy ny rotaka. Ny faharoa kosa nanambara fa tsy mitsahatra ny misondrotra ny vidim-piainana ka tsy tantin'ny olona intsony no nahatonga ny rotaka. Izay ilay samy manana ny fijeriny fa anjaran'ny tsirairay no mamakafaka sy mandanjalanja. Ny tahaka izao ihany koa no tsy mahasasatra anay hitatitra mandrakariva izay tsikaritray. Ny somary nahavariana tamin'ilay notantarain'ny namana dia ny fitakiana hamerenana ny mpitondra teo aloha mpanelanelana ny raharaham-pirenentsika hamaha io olana any aminy io.
Hafa tanteraka kosa ny eto an-toerana, satria tsy tafiditra amin'ny fanapahan-kevitry ny governemanta loatra ny fanondrotana vidin'entana afa-tsy izay sahanin'ny fanjakana ihany angaha (toy ilay vidin-tsolika nahafahan'ny mpandraharahan'ny solika nividy ny vola vahiny amin'ny 2000ar ny dôlara iray raha tokony ho efa 2200ar izany nialoha ny fifanarahana tamin'ny fitondrana?). Noho izany angamba no tsy mahataitra ny Malagasy loatra hikorontana fa hiasa mafimafy kokoa angaha hahazoana vola bebe kokoa, nefa asa toy ny inona? Saingy hendry na ny mpanao mofo na ny olona satria lasa tsy ampy anjaran'olona iray izany mofo dipaina iray manontolo izany satria tsy nisondrotra ny vidiny, ary ny olona tsotra kosa mitady zavatra hafa asolo azy dia ny paty indrindra indrindra... hehehe... fa vita amin'ny inona moa ny mofo dipaina ary vita amin'ny inona kosa ny paty fihinana? Soa ihany aloha fa ny vidin'ny vary sy ny lafarinina ihany no miakatra fa tsy ireo e!...hehehe... ahitsio aho raha diso fa tena diso mihitsy.
Fa tsikaritro tokoa aloha fa nitombo ny mpivarotra hani-masaka mandehandeha ka ny miavaka indrindra amin'izany dia ireo mpivarotra paty efa masaka, ampiarahany amin'ny karazan-kanina samihafa izy ireny ka misy ny mampiaraka azy amin'ny atodiakoho, na karaoty sy ovy, na izay mety atao ho karazana laoka samihafa e! fa mora aloha ny vidiny sady samy manana ny azy rahateo, tsy miresaka ny fahatakaran'ny sarambamben'ny olona izany vidiny izany loatra aho satria azoko heverina fa ny vidin-tsakafo masaka no isan'ny mora indrindra manerana ny tsena fa tsy azo atao kosa ny mieritreritra ny fahadiovany. Amin'ny ankapobeny moa dia tahaka ny anaty koveta anaty sobika na anaty fitehirizan-kani-masaka anaty harona no fanaovan'ny mpivarotra ireny hanina ireny. Na izany aza lasa saina ihany aho indraindray ka manao hoe tena mahasolo ny vary tokoa ve ny paty feno manerana ny tanàna? Dinihina toa karazany aty Madagasikara indray no nanaraka ny torohevitry ny solontenam-panjakana ao ampita andrefana fa tsy vomanga sy saonjo mbamin'ny mangahazo no nampifanoloana fa zavatra vita amin'ny lafarinina ihany no asolo zavatra vita amin'ny lafarinina.
Jentilisa, Antananarivo 3 septambra 2010 amin'ny 00:26
Voakarama hanendaka? sa hanakorontana?
Efa somary lavalava ihany ny lahatsoratra nosaratako saika havoaka no najanona satria nisy tranga be ifandraisana aminy nefa tsy mety atsofoka eny an-tsefatsefany eny intsony. Lahatsoratra vaovao noho izany no natao satria miova ny fomba hamoahana ny hevitra na lohahevitra mitovy ihany aza no lazaina.
Dia nisy, hono satria olona no niteny tamiko, haino amanjery iray sa vitsivitsy, nahenoana fa misy amin'izao fotoana izao bandin'i Manjakaray, 67ha (Ankasina), Andavamamba ary faritra hafa karamaina hanendaka sy hangalatra ary handroba, mba entina hanaporofoana fa tsy milamina ny tany... na tsy lazaina aza dia fantatra ny tian-ko lazaina ho manakarama satria isan'andro isan'andro ny fanasoketana ny anarany amin'ny haino aman-jery ary ny gazety mpivoaka eto Madagasikara, ary izaho naheno ilay vaovao indray manana anarana radio ao an-tsaina avy hatrany raha vaovao tahaka izany no mivoaka, saingy tsy afa-mitompo teny aho satria tsy naheno ilay vaovao mivantana... nefa kosa ambara fa tsy olona iray na roa no nilaza io "vaovao" io tamiko. Nihomehy anaty ihany aho satria karazam-baovao fampihorohoroana toy izany hatrany no nitaizana ny vahoaka efa nihoatra ny taonjato iray sahady izay. Ny talohan'izany moa tsy fantatra loatra fa ilàna mpandalina tantara manokana angaha.
Nalaza nandritra ny fotoana nahatongavan'ny vazaha maro teto Imerina, nialoha kely sy teo ampiandohan'ny vanim-potoanan'ny Fanjanahantany ny resaka mpaka fo. Heverina ho ny vazaha no tena maro amin'ireo mpaka fo ireo ary nisy koa ny fikambanana framasao no voasoketa amin'io tsaho io. Nisy fiantraikany tamin'ireo sarambaben'ny olona any ambanivohitra rehetra any tokoa ny lazan'io mpaka fo io ka raha mahita vazaha ny ankizy sy ny badobado dia mandositra avy hatrany. Ilay fomba fiteny ankolaka fa manao izay hanintonana ny fon'ny olona no nivadika ho zavatra mivantana ho mpaka fo hohanin'ny vazaha ohatra. Dia tsy nisy intsony ny olona sahy nivoaboaka tamin'ny alina satria ankoatra ny mety hifanenana amin'ny mpamosavy dia misy koa ny mpakafo izay mety hangalarany ny fon'ny olona mifanena aminy. Vokany, nandry fehizay ny tany rehefa amin'ny alina satria tsy re loatra ny fisiana halatra. Ny toy io angamba no iray amin'ny antony nampalaza ny taloha ho tsy nahenoana loatra izany hoe hala-botry izany... Mifanindran-dalana amin'izany tsaho toa tsy nampiraika ny vazaha mihitsy ny hanitsy azy izany dia napetraka ny lalàna fa tsy misy olona mahazo mipetra-drery any ankodahoda any fa tsy maintsy any an-tanàna avokoa no manorin-trano, fomba tsotra entina hanaraha-maso sy hifehezana ny olona moa io lalàna io. Marihina fa na amin'izao fotoana izao aza dia mbola malaza io resaka mpaka fo io any amin'ny sarambaben'ny olona sasany any miampy ny lazan'ny mpangalatra taova malaza manerantany ihany koa moa izy io na dia tsy henon'ny saranga antonony sy sarangan'ny mpanankarena an-tanandehibe loatra intsony aza.
Nandritra ny faramparan'ny fanjanahantany sy ny repoblika voalohany indray, tsy dia mahafantatra izay mety ho zava-nalaza ho nampatahotra ny olona loatra aho, na izaho no tsy manam-baovao loatra momba izay tsaho natahoran'ny olona. Ambarako mazava tsara aloha izay. Fa tsikaritro kosa, nisy gazety amin'ny teny malagasy sasantsasany, ary tsy miankina amin'antoko na amin'ny fiangonana, tia mamoaka ireo misitery isan-karazany ka tia manasongadina resaka matoatoa sy angatra mivezivezy manerana ny tanànan'Antananarivo amin'ny alina ary nambara ihany koa na tsy tadidiko loatra intsony tamin'ny namaky azy ireny ny ora fivoahan-dry zareo. Mamaky izany kosa aloha ny ankizy tena koditra mihitsy, raha ny fiantraikany amin'ny olon-dehibe indray tsy dia nandrenesana akony loatra ary anisan'ny manahirana ny mamantatra azy amin'ity Malagasy tsy tia namoaka loatra ny heviny ity. Fa mbola nanana ny lazany ihany fa tsy nisy nangalatra tamin'izany fotoana izany, raha ny an-tanan-dehibe no resahina, izany lamba nahahy teny an-davarangana izany. Izany hoe raha nitodika indray aho dia karazam-baovao entina hampipirina ny olona any an-tranony ihany koa ny karazan-gazety tahaka itony ary manahy aza aho fa ny fanjakana mihitsy no nanakarama azy ireny hampilamina hatrany ny tany sy ny firenena. Na nangina aza ny tanàna dia tsy natahorana loatra izany hoe mpanendaka izany, ary tsy nandrenesana loatra ny momba izany raha an-tanan-dehibe. Tsy fantatro kosa anefa raha efa fiteny tamin'izany fotoana izany na tsia ny hoe mpanakan-dalana.
Niova kosa ny toe-draharaha rehefa niditra ny Repoblika faharoa. Noho ny karazana korontana naharitra nandritra ny tetezamita nitondran-dRamanantsoa Gabriel kosa dia simba tsikelikely nanaraka izany ny soatoavina nampanjakan'ny Malagasy izany hoe fandriampahalemana sy fihavanana. Nalaza ny resaka madinika ary izay tsy manaja ny madinika dia mpanoha-riana sy kapitalista. Nanomboka nanao izay tiany atao amin'izay ny madinika. Nisy ny olona navondrona ho ao amin'izany Tary Tonga Saina izany hampivoarana ireo avy amin'ny sarangam-bahoaka mahantra saingy nisy nanodina ny sain'ireo Tary Tonga Saina ireo ho lasa fitaovam-pamoretana sy fiarovana ny sezan'ny mpitondra ka noadinoina tsikelikely ny manjò ny vahoaka. Ireo no fitaovana nentina nampihorohoroana sy nampanafihana ireo mpanankarena mety ho nanelingelina fitazonana ny fitondrana. Ireo no nalaza tamin'ny fanendahana sy ny fanafihana mitam-basy, ary tsy adinoina ihany koa fa naka tovovavy ankeriny ihany koa izy ireo ary nosafidiany mihitsy ireo vehivavy nalainy an-keriny sy niterahany ireo ho kazaran'ny valin'asany tamin'ny fitondrana tamin'izany fotoana izany. Niova tanteraka ny zava-nitranga satria tsy nanana tahotra intsony ny mpangalatra fa ny olo-tsotra kosa niaina tao anaty tahotra. Mazava loatra fa fady izany mandeha alina izay tsy dia nahazatra ny olona loatra eto an-drenivohitra moa (marihina fa tsy miresaka ny any amorontsiraka mihitsy aho eto). Nisinisy ny toerana malaza ho misy mpanendaka izay fady ny mandeha aminy amin'ny andro alina. Fa tsy nanana henatra ihany koa ireo jiolahy ireo na dia amin'ny andro atoandro aza, mivondrona ary manana paika entina hanakiviana ny olona izay tsy mety miray hina ihany koa moa raha eny an-dalana no misy tratran'ny fanendahana.
Ankehitriny, mbola tsy mahazatra ny olona mihitsy izany mandehandeha na mihaona na manao zavatra amin'ny alina an-drenivohitra izany ankoatra ny zoma mahafinaritra eny Analakely sy ny Cabaret angaha saingy ho an'ny olona manana fiara moa izany no tena marina. Misy ihany ny fiarakaretsaka saingy noho ny antony dia tsy hivoaka na handeha any amin'ny toerana somary sisintsisin'ny tanàna mihitsy izy ireny, marihina anefa fa tsy mifankaiza loatra amin'ny saran-dalana amin'ny atoandro izany saran-dalan'ny fiarakaretsaka amin'ny alina izany. Mirongatra dia mirongatra tokoa ny mpangalatra sy ny mpanafika any an-trano ary fitaovam-piadian'ny mpitandro ny filaminana ihany no ampiasain'ireny jiolahy ireny. Malaza moa fa ampanofaina ireny fitaovam-piadiana ireny, noho izany tsy zavatra kelikely no halain'ny mpangalatra fa tsy maintsy maka tombony amin'ny zavatra ataony izy. Vokany, tsy vitan'ny hoe eny an-dalana ihany no mety anamparan'ny jiolahy ny heriny fa na dia any an-trano aza dia tafihiny, ary na dia toerana misy zandary aza dia tsy mampihemotra an-dry zalahy. Very fanahy mbola velona ny vahoaka izay tsy manana fitaovam-piadiana raitra tahaka ny jiolahy. Vokany, mipirina rehefa misy toe-javatra manahirana ka mionona rehefa tsy ny tena aloha no tafihina. Noho izay toe-javatra tsy voafehy izay intsony angamba no mahatonga ny sasany hanasoketa olona fa manakarama bandy avy any amin'ny faritra mafana eto an-drenivohitra hanendaka sy handroba, fa mila karamaina ve ny mpangalatra (?), entina ilazana fa tsy milamina ny tany ary tsy mahafehy ny filaminana ny tompon'andraikitra. izaho kosa moa mieritreritra fa matoa tafahoatra tahaka izao ny fanafihana mitam-piadiana dia ao amin'ny mpiandraikitra ny famongorana ireny asa ratsy ireny mihitsy no fositra voalohany.
Rehefa namaky ilay lahatsoratra indray aho dia tsy afa-po tamin'izay voasoratra satria tsy izay nokasaiko hosoratana indray no voasoratra nefa efa vita ihany ilay izy dia navoaka ho anareo ihany aloha. Amin'ny manaraka angamba aho mamoaka izay tena tiako ahatongavana.
Antananarivo 2 septambra 2010 amin'ny 00:22 (02/11/2010 @ 00:22)
An'i Dada ihany, hono, itony!
Hiresaka zava-misy andavanandro kely indray aloha aho. Misy Yaourt tsaratsara izany amidy eny am-pivarotana eny saingy somary lafolafo dia misy mitsatsaingoka avy eo: "An'i dada ihany ange, hono, itony fa mody novaina ny anarany e!". Misy glace ihany koa amidy manerana ny mpivarotra maro saingy hafa ny endriky ny tavy hametrahana azy sady ahatsiarovana ihany koa ny tsiron'ny an'ny tiko fahiny, dia lasa indray ny resaka hoe: "An'ny dada koa, hono, itony fa tsy maintsy novaina ny anarany". Nihomehy anaty ihany aho mahita izany fomba firesaka izany satria rehefa tsaratsara tsiro ny vokatra dia lazaina fa an'i dada izy io fa novaina anarana.
Tranga efa elaela kokoa fa noadinoiko ny nanoratra azy fa variana tamin'ny tolona politika loatra ny tena. Feno dibera sy margarina avy any Afrika any, raha ny fonony no jerena, ny tsena. Maro ny mpivarotra no te-handafo dia nilaza hoe: "diberan'i dada itony fa tsy maintsy nosoloina ny fonony hahafahana mivarotra azy". Vao nanandrana anefa ny tena dia mangidy sira ilay izy... tsy ny dibera na ny margarinan'i dada ho'aho no mangidy tahaka izany... raha mijanona andro vitsy aoriana ilay izy dia tena tahaka ny fotaka avy eo ny tsirony ary tena mankandoa mihitsy. Izany hoe ny vokatr'i dada no hanaovana dokambarotra hahalafosana entana, satria manko malaza ho tsara ny vokatra avy amin'ilay "mpanao didy jadona" sy "mpangalatra tany" iny. Izany hoe raha nisy karazany kokoa angamba ny vokatr'i dada dia nohararaotina handafosana entana avokoa satria tsara ny zavatra novokariny. Tahaka ny hoe rehefa avy amin'i dada dia tsara ary mbola ankafizin'ny maro ny novokariny...
Voaozona ve ny malagasy raha ny vokatra malagasy tsara no potika ankehitriny? Soa fa nisy fotoana nianohana zavatra tsara tamin'ny vita malagasy fa raha tsy izany tsy mbola betsaka ny mahatsiaro azy mandrakariva.
Jentilisa 25 aogositra 2010 mitataovovonana
Aoka hazava fa azo trandrahina ny bolabola
Mety hanaitra anao mpamaky izany teniko izany saingy izay no marina. Resaka bolabola na andramena na ilay antsointsika voazanaka ara-tsaina hoe "bois de rose" indrindra no resahiko ary tsy lainga izany... saingy ny olana dia tsy voafehy ilay fitrandrahana azy, izay noferana soa amantsara tany aloha tany (porofo indrindra ny fisian'ny fanondranana hatry ny ela), fa maika ny hahazo vola loatra ny sasany ka lasa nanapotika vetivety ny tontolo iainana ka izay no tsy mampanara-dalàna ilay fitrandrahana tafahoatra. Tsy te-hanoratra lava intsony aho satria somary lava ihany ilay
ato amin'ny rohy ato [
teny malagasy] saingy nahaliana dia nahaliana ka tiako zaraina aminareo. Tiako sy
faniriako indrindra
raha mamoaka ny hevitrareo ao ianareo na dia mety tsy itovizana aza ny hevitra. Ho an'izay mahay teny vahiny ka mampitaha azy amin'ny teny malagasy ato...faniriako ihany koa raha milaza
ny tokony ahitsy ianareo eo amin'ny famoahan-kevitra ao. Azamanahy raha tsy mivoaka eo noho eo ny hevitrao fa hipoitra ho azy eo ihany izy rehefa mandalo izahay mamoaka ny hevitrao. Tsy sanatria fanakanana ny hevitrao no antony fa ialàna amin'izay mety ho ompa na teny ratsy ihany.
Raha mahaliana anao ny hamaky azy amin'ny
teny frantsay dia [
jereo ato], ary raha amin'ny
teny anglisy mihitsy aza dia [
ato indray vakiana]. Ireo miloko manga ireo tsindriana raha tsy azonao ny tiako lazaina ary mirary mandrakariva raha mamoaka ny hevitrareo ianareo na karazana fankasitrahana kely fotsiny ihany aza vao maika mahafaly anay sy mandrisika anay hanome vaovao ho anareo.
Jentilisa 24 aogositra 2010 amin'ny 00:45
Ny vahaolako Malagasy
Nanjary lamaody eo amin'ny famahana krizy eto amin'ny firenena indray ny fanandratana ny teny hoe "vahaolan'ny samy Malagasy" [solution Malgacho-Malgache]. Noho ny filazana volana vitsy lasa izay ny hoe hambom-pom-pirenena ny tsy tokony idiran'ny vahiny amin'ny raharahan'ny samy Malagasy ve no antony nanandratana ity fitenenana ity indray? Mariho mazava tsara anefa fa vao niandoha ity krizy diavina ity dia ny "vahaolan'ny samy Malagasy" no nampiharina teto amin'ny firenena. Nanandrana niditra ihany ny vahiny, nanomboka tamin'ny Frantsay, noho ireny raharahan'ny 26 janoary 2009 teto Antananarivo sy ny telo andro manaraka tany amin'ny faritra rehetra tany ireny saingy hitantsika ny vokany. Teo amin'ny fanelanelanan'ny mpitarika ny FFKM kosa no nandraisan'ny Malagasy ny fanelanelanana ny samy Malagasy... izany hoe ireo mpifanandrina politika no marina kokoa... narahin'ny fikambanana vahiny maso izany sady efa fantatsika ny vokany sy ny tohiny. Hatramin'izay nisian'ity vahaolana amin'ny krizy amin'izao fotoana ity izany dia tsy nisy nahomby na ny vahaolana nataon'ny samy Malagasy na ny vahaolan'ny fifanarahana nosoniavin'ny solontena vahiny koa fomba ahoana no hivahan'ny krizy raha tena mitady tokoa isika?
Ny tsikaritro aloha, satria voambolana Frantsay no tena novoizina amin'izao fotoana izao, dia ny hevitra fonosiny. Mampiova fisainana tokoa ny voambolana raisina amin'ny raharaha tahaka itony ary mety hiantraika amin'ny famahana ny olana ihany koa aza. Raiso anie ny teny hoe "Solution Malgacho-Malgache", ny fijeriko dia manome lanja ny fisaraham-bazan'ny samy Malagasy io fiteny io. Misy izany ny vondrona Malagasy hifanaraka amin'ny vondrona Malagasy hafa izany eto, Matoa naverina indroa ny anarana dia maneho fiavahana sy fihatahana amina vondrona Malagasy samihafa mihitsy izany. Toy ny manambara io fa mizara roa miavaka tsara ny Malagasy tondroina eto. Ohatra: Centre Franco-Malgache manondro toerana fihaonan'ny Frantsay sy ny Malagasy, dia ovay hoe "Malgacho-" ilay "Franco-" fa amiko manokana dia hafahafa ny mihaino azy. Nahoana no tsy nosoratana na nolazaina ohatra hoe "Solution entre Malgaches" na "Solution Malgache" tsotra izao? Heveriko fa misy dikany matoa izay voambolana izay nonoraisina.
Nanao ahoana ny fampiharan'ny sasany ilay "Solution Malgacho-Malgache"? Tsy vahaolana no napetrany fa famefena ny fahitam-bahaolana tena izy hialana amin'ny krizy amin'ny fanapahan-kevitra mety hivoaka rehefa misy tokoa ny fikatsaham-bahaolan'ny samy Malagasy. Misy sakana avy hatrany napetraka tsy ho azo iadian-kevitra nataon'ny mpanao politika sasany nihazakazahana nosoniavina.Nivoaka ry zareo ny fifanarahana politika nosoniavina teny amin'ny Ivotoerana Ivoriambe Iraisampirenena Ivato dia karazana
"Armistice" no nosoniavina satria fifanarahana politika ilay izy nefa dia
"capitulation" no votoatim-pifanarahana satria izay tian'ilay "napetraka" ho mpandresy tamin'ny ady miaramila nifanandrinana no harahina. Azo lazaina noho izany fa tena niketrika tokoa ny mpitetika ny paikady tamin'ity Fifanarahana politika teny Ivato nosoniavina ny
"Vendredi 13" ity...
[fa dia naninona loatra aho no nanoratra teny frantsay maromaro tato?]... Voafaritra mazava tsara ao anatin'ny fifanarahana fa tsy misy azo esorina na aongana intsony ny mpandresy sy izay vonon-kiara-dia amin'ny mpandresy ka tafiditra na voatendry anatina rafi-pitantanana hajoro. Mifandamina izany ry zareo samy mpanao politika amin'ny fizarantseza.
Tsoa-kevitra : Olana hatrany ny mpanao politika [Malagasy amin'izao fotoana izao] na misaraka na mitambatra, ary izy mitambatra no mampidi-doza kokoa ho an'ny firenena.
Etsy ankilan'izany dia fahadisoana ihany koa raha ny fijeriko azy ny fitadiavana hifikitra mandrakariva amin'ny "Satan'ny Maputo sy Adis-Abeba" izay mametraka hatrany ilay mpandresy eo amin'ny toeram-boninahitra ambony indrindra raha hijoro ihany ny tetezamita ary mbola ho olana ho an'ny Malagasy, araka ny fomba fijeriko, ny mieritreritra ireo olona halany sy tsy nofidiany na nanaovany latsa-bato akory, nefa dia hiteroterona amin'ny seza fisoloan-tena ny vahoaka. Manahirana ahy ihany koa ny mahita ilay rafitra mavesatra dia mavesatra itadiavana amin'ny fomba rehetra hametrahana olona maro dia maro ho anatina andrim-panjakana. Fandaniambola mihoa-pampana izany na dia azo heverina ho vahaolana ihany aza nefa ny hitavana ny volam-bahoaka ihany no ho raharahan-dry zareo ao anatin'izany rehetra izany. Mila rafitra mahomby ny tetezamita raha ilaina izany ary ny antoky ny fahombiazana dia ny fanomezana andraikitra ireo manampahaizana vitsy eo amin'ny fitantanana mandra-pihavin'ny fifidianana isafidianan'ny Malagasy izay tiany hitantana ny firenena na olona tsy manana diplaoma io na jiolahimboto na olonkafa tsy ary ho voatanisa.
Fandrika iray ilaina sorohina ny fitadiavana fanaovana
zara fa vita ny tetezamita ka manjary ratsy fototra izay rafitra tian-kajoro aoriana. Averimberina mandrakariva ny filazana hamitana haingana ny tetezamita, tsy fahamehana ho amin'izany mihitsy no tanjona amin'izao fotoana izao, raha ny fijeriko, fa ny fialana amin'ny krizy. Ny krizy hita amin'izao fotoana izao dia ny fitokana-monina manjo ny Malagasy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Fiandohan'ny famahana krizy noho izany, amiko, ny fiverenan'ny fitokisan'ny iraisam-pirenena, raha sainina fa olana izany fitokana-monina izany eo amin'ny sehatra diplomatika. Raha sainina ho tsy olana kosa dia tsy manan-kambara ny tena fa dia tena tsy misy tokoa noho izany ny krizy ka avela amin'izao hanohy ny asany izay mitantana ny firenena. Raha ny amin'izao fotoana, aloha, dia tsy tokony atao an-kamehana ny fihaonambem-pirenena kasaina hotontosaina ny faran'ny volana io satria efa fefen'ilay fifanarahana politika nosoniavin-dry Tia Tena isany. Nanimba ny hevitra tera-bary avy hatrany manko io toe-javatra iray io. Tadiavina kosa ny fampandraisana anjara ny daholobe vonon-kandray andraikitra [tsy miandry izay tsy handihy sy tsy hiteha-tanana kosa] ary mbola eo amin'ny fifanentanana isika izao. Raha te-hahalala izay mifanakaiky indrindra amin'ny hevitro noho izany ianao dia
ato amin'ity vondrona Facebook ity no fantatro aloha. Sarotra ny lalana saingy samy manana ny fandresen-dahatra ary izay aloha no anjara birikiko. Tetezamita ny resaka izao!
Jentilisa 18 Aogositra 2010 amin'ny 02:30 maraina.