Nanana ny lazany ary efa voasoratra teto amin'ity habaka ity ny revolisiona tsy naneken'ny olo-tsotra avy eny Ambalambahoaka intsony ny vola misy scotch sy ny vola rovitra. Efa misy ihany moa ny hafetsifetsen'ny sasany fa misy mahay manambatra amin'ny lakaoly indray ilay izy fa ezahiny tsy ho hitanao mandray azy mihitsy ny fisian'ny lakaoly. Ny maha-henjana azy, raha tsy mitandrina, dia misy ny mahay manambatra ny vola tsy mitovy laharana amin'ilay izy, fa be ny tsy hahatsikaritra izany loatra.
Eto indray dia resaka vola ihany sy ny fampitomboana azy no lohahevitra, mety ho gaga amin'ilay lohateny ianao, nefa dia izay ilay izy. Ny mahasoloky na tsia azy indray dia mbola baraingo na amiko na aminao ihany koa. Tsy azoko mihitsy hatreto hoe inona no tena tombontsoany na kendreny fa ny tombatombana ihany no betsaka. Vao tamin'ny herinandron'ny 19-25 avrily ity no nandrenesako ny momba azy ity, tamin'ny 24 avrily 2015 no marina kokoa.
Olona iray mipetraka sy miasa tena ao Anosizato Andrefana ao no nanontany ahy hoe: "Ahoana indray izany vola ariary zato lasa arivo, roanjato lasa roa arivo izany?". Tsy azoko tsara ny fandehan'ny resaka dia nasaiko nohazavainy. Nitantara amin'izay izy fa ambanin'ny sarin'ny Madagasikara amin'ny vola dia misy soratra bitika dia bitika, ka misy tarehimarika izy io. Izay tarehimarika rehetra miafara amin'ny 5 eo amin'io tarehintsoratra sy tarehimarika mifampitohy io no mitombo rehefa atakako dia lasa ampitomboina folo.
Gaga fotsiny aho fa tsy mbola fandreko izany. Namaly aho fa angamba vola tsy tokony hivoaka izany vola izany no tafavoaka, ka io marika io no porofony. Eo ankilany dia miaiky aho dia misy ny mahadinika zavatra bitika tahaka ireny, izaho tsy nahalala raha tsy vao izay, fa ny vola ariary zato sy roanjato ihany no tena nahitako azy. Tamin'io andro io ihany dia adinoko ny momba ilay fanakalozana mampitombo vola na dia nikasa ny hanontany any amin'ny toeran-kafa aza aho.
Ny ampitso indray, izany hoe ny 25 avrily 2015, mpiara-miasa iray tao amin'ny birao no nanontany hoe :"Ianareo ve efa nandre ilay hoe manakalo vola ariary zato lasa arivo,roanjato lasa roa arivo, dimanjato lasa dimy arivo?" Namaly azy aho fa vao omaly [zoma] no nandre io resaka io ary nanadino azy raha tsy izy no nanombo-dresaka. Dia raikitra amin'izay ny resakay teo. Andravoahangy sy ny manodidina an'Ankatso rehetra iny izany no efa nandre ilay resaka daholo. Namana iray tao Andraisoro aza nilaza mihitsy hoe ny ariary zato tany aminy no atakalo dimy arivo, ka nilaharana amin'izay ny nankeo amin'ilay olona.
Dia lasa indray ny saina nanontany hoe inona no tena tanjon'izany rehetra izany. Mbola vao eto Antananarivo izy izao fa mety hiely manerana an'i Madagasikara avy eo. Hevitra hafa indray no manombana fa mahantra loatra ilay Malagasy ka omena tsirim-panantenana kely hoe ny ariary zato mety ho lasa arivo na dimy arivo ka tongava aty aminay. Mety ho tanjona ara-psikolojia ilay izy tsy hahamora hikorontana ny olona amin'ny fahantrany. Saingy tombatombana fotsiny izany. Dia mitodika aminao mpamaky aho hoe mba inona tokoa no tanjon'izany resaka izany, araka ny eritreritrao?
Jentilisa 26 avrily 2015
Rehefa natory nandritra ny efabolana ny blaogy jentilisa dia mifoha indray ankehitriny. Tsy ny hevitra no tsy misy na ny zavatra tian-ko lazaina fa nilaozana nandany jiro tany amin'ny tambajotra an-tserasera tany. Azo atao hoe resaka tsy misy fotony satria very an-javony any fotsiny izay fandresen-dahatra natao, very fotsiny ny andro sy ny fotoana fa rehefa karohina hoe aiza moa no misy ny nanoratako zavatra toy izao dia tsy hita intsony satria natao hiresadresahana sy hampitana hafatra maika fotsiny izy ireny fa tsy natao handinihana lalina loatra.
Na raha misy ny fandinihana somary lalindalina ao amin'ireny tambajotra sosialy ireny dia pejy manokana ao anatin'ny tambajotra no ametrahana azy. Raha be mpamoaka hafatra ihany koa anefa io pejy manokana io dia mbola sarotra ihany ny mitady ilay vontoaty nokarohina. Vahaolana tsotra indrindra hatreto dia ny blaogy ihany. Na fotoana ela dia ela aza no nanoratana azy dia mbola azo atao ihany ny mikaroka azy amin'ny alalan'ny "fitadiavana" ao amin'ny blaogy manokana na amin'ny mili-pitadiavana amin'ny ankapobeny.
Tsy hoe hifoha indray fa hiova anarana ihany koa. Ny rohy itadiavana azy tsy miova fa ny anaran'ny blaogy no vaovao indray. Vita hatreo ny Maharesaka...Veto, tsy hita intsony ilay anarana VETO na Vaovao Eto an-TOerana. Tonga soa indray i Mpanohariana.
Fa maninona no "hevitra MPANOHARIANA"?
Tsy natao petatoko ilay anarana fa natao hampitandrina dieny mialoha fa hisedra ny tsikeranao, hisedra ny hevitrao, hisedra ny fahatezeranao ihany koa aza. Toetra iray tsapan'i Jentilisa ankehitriny fa misy ao aminy ao ny fananana fanehoan-kevitra toa mihantsy sy tia valy boraingona izany. Hatry ny fotoana nahasahiany niteny izay noheverina ho fady no nananany ny "hevitra mpanohariana" ka izay no antony nampisalorana indray izany anarana izany amin'ity blaogy ity.
Hevitra manafintohina voalohany
Nisy gazety iray izay andro maromaro lasa izay, namoaka lahatsoratra manafintohina ny mpamaky amin'ny hoe raharaha politika eto Madagasikara, lohalaharana ny Merina ary tratra aoriana ny Tanindrana. Izany hoe izay tsy Merina rehetra dia noraisina ho Tanindrana avokoa. Ny fahalalana tsy ampy ato amiko anefa no ilazako fa ny hevitra voalohany tamin'ny voambolana hoe tanindrana dia ireo mifanila tamin'ny Merina ka ao ny Betsileo, Bezanozano, Sihanaka, Sakalava... Taty aoriana (mbola tamin'ny androny fanjanahantany) vao nampiasaina tamin'ny ankoatra ny Merina ny voambolana ho Tanindrana fa very anjavony ny anarana Tantsiraka ho an'ireo mponina amorontsiraka rehetra.
Io lohatenin-gazety tamin'ny teny frantsay io ihany koa anefa no ahafahana milaza fa nivadika tanteraka ny kodiaran'ny tantaran'i Madagasikara tao anatin'ny roapolo taona. Hatramin'ny nanomezana antsika ny fahaleovantena ka hatramin'ny fitondran'ny Hery Velona dia fady teto Madagasikara, na ny marina kokoa dia nampinoana ny Malagasy fa tsy hisy na oviana na oviana izany hoe Merina izany ka ho lasa Filohan'ny Repoblika. Na ny Hery Velona tamin'ny 1991-1992 aza dia tsy sahy nanolotra kandidà Merina rehefa natao ny fifidianana filoham-pirenena satria natanjaka dia natanjaka io fomba fihevitra io. Izany no nahalany filoha an'i Zafy Albert tamin'izany fotoana izany.
Tsaroako tsara fa fahazaza, Repoblika Faharoa, dia fady ny milaza tena ho Merina imasom-bahoaka. Ny foko hafa rehetra afa-nanonona ny fiaviany avokoa ankoatra ny Merina. Raha vao misy ny Merina nahasahy niteny fa Merina izy alohan'ny maha-Malagasy azy dia tondroina avy hatrany ho mpanavakavaka sy extremista ary mpanohariana fahavalom-bahoaka. Ny hany alalana azon'ny Merina natao,ary ny Merina tao amin'ny AKFM no tena nampianatra azy dia hoe Malagasy aho, Malagasy isika rehetra. Hafa kokoa ny toe-draharaha raha samy norarana tsy hisy hahazo hiteny ny fiaviany na ny foko nisy azy ny foko rehetra teto Madagasikara.
Revolisiona goavana noho izany no vitan'ny Radio Feon'Imerina sy ny gazety Feon'ny Merina nahafahana nijoro ho sady Merina no Malagasy. Fanamelohana no saika azon'ireo fampitam-baovao ireo tamin'ny olona saingy Atoa Latimer Rangers kosa nahasahy niaro azy ireo imasom-bahoaka na dia tsy Merina aza izy. Vokatry ny revolisiona, tsy nilàna fidinana an-dalambe, no nahatonga fisian'ny Merina lany tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena teto Madagasikara, ny tsy maintsy nanolorana Merina hafa entina hanonganana io filoham-pirenena io ary ny mbola nisian'ny Merina iray hafa voafidim-bahoaka amin'ny alalan'ny fifidianana indray.
Vokatra hafa ankoatra izay dia sady tsy resy tondromaso eo anatrehan'ny hafa intsony ny Merina no tsy afa-mirehareha amin'izany ihany koa satria, toy ny olon-drehetra ihany, sady mety hahavita ny tsara indrindra ny Merina no mety hahavita ny ratsy indrindra ihany koa.
Jentilisa, 22 avrily 2015