Alatsinainy Paska an-tsary

2011-04-25 @ 23:36 in Andavanandro

Alatsinain'ny paska 2011, niainga maraimbe tao an-trano ny tena noho ny asa. Tamin'ity indray mitoraka ity dia nanararaotra nitondra fakantsary na dia somary manelingelina noho ny habeny ihany aza ny tena. Faritra vitsivitsy teto an-drenivohitra no nandalovana ka nisy ny nopihana moa nisy ny nandalovana fotsiny. Nisinisy ihany ny olona saingy tsy betsaka noho ny mahazatra sady tsy naharenesana tabataba firy. Hafahafa ery izany Behoririka manoloana ny Avance Center ka hatreny amin'ny Irresistible ka tsy nisy ny mpivarotra amorondalana, mbola tsy famelaran-dry zareo entana ny fotoana nandalovako teny satria mbola tsy ampy tamin'ny fito maraina.


Mbola tsy nitanjozotra ihany koa ny fiara nivoaka iny faritra andrefana eny Anosibe sy Anosizato iny. Malalaka ny arabe saingy ny mahavariana eny amin'ny fiantsonan'ny fiara fitaterana hatrany no tena itangoronan'ny mpivarotra amorony efa tafiditra anaty lalana. Hanina mbola manta no tena amidy amin'izany. Ireny ve no toerana azo antoka fa hahazoana mpividy voalohany? Mety ho izay saingy amin'ireny ihany koa no tena mora iasan'ny mpanendaka sy ny mpangaro-paosy voalohany. Tamin'ny ankapobeny izay lalana rehetra nandehanana tato an-tanàna dia malalaka avokoa.

alt


Niditra an'i Mahamasina hatreo amin'ny fiantsonan'ny fiara Anosy mipaka mankeny amin'ny fiantsonan'ny fiara fitaterana Mahamasina, anatin'ny Cité Jardin, no nahitana mpivarotra mitandahatra lava voalohany vao maraina andro alatsinainy. Indraindray mahatonga eritreritra sao ny alatsinainy no tsena eny fa tsy alakamisy intsony. Tena mihamiova ny tontolo saingy mihapotika ihany koa ny arabe.

alt


Miakatra amin'iny Ankadilalana iny dia hitanao ireo fianakaviana manao andiany mandeha an-tongotra hamonjy ny sahan'i Tsimbazaza. Io no faritra anaty fefy andoavam-bola be mpitsidika tranainy indrindra araka ny fahalalako azy. Ny ankizy no tena maro. Tamin'ity andro ity dia nisokatra avokoa ny vavahady telo ananan'ny saha raha ilay iray afovoany alaiko sary ihany no misokatra mahazatra. Milahatra ny besinimaro amin'ireo vavahady telo ireo fa eo amin'ilay vavahady misokatra mahazatra no tena ifanotofan'ny mpivarotra hani-masaka ivarotana eny am-pita. Teo dia hita fa miovaova be ihany ny toetr'andro fa mbetika mitranga ny masoandro, mbetika mandrakotra tanteraka azy ny rahona sy ny rivotra mampangatsiaka.

alt


Mivezivezy eny ihany, somary nahazo ny anaty tanàna indray ny tena. Tahaka ny hifanisa ny isan'ny mpandeha an-tongotra sy ny fiara. Tetsy Ankadifotsy ohatra teo amin'ny fotoana izay nakako sary maraina no somary betsaka ny fiara nifanaretsaka raha somary mitsitaitaika ry zareo ny fotoana hafa tamin'ity andro ity. Inona tokoa moa izany no mety ho antony handehadehanana eny?

alt

mikatona ny fivarotana madinika fa misy ny mpivarotra tsy miala mihitsy

alt


Nandalo an'Akorondrano ny tena ka somary gaga ihany nandalo ity arabe efa nitarina tamin'ny andron'ny filoha teo aloha dia lazaina fa mbola hitarina hatrany. Tsy dia tena mahatadidy ny tombam-bidin'ny fanamboarana na fanitarana aho fa ny hitako dia hakelezina ny eo afovoany. Tsia, asiana faritra manasaraka angamba fa voatery ajanona avokoa manko ny fiara rehetra, ny mianavaratra rehefa hiainga avy any an-tranony hamonjy an'Antaninarenina ny filohan'ny FAT; ary ny fiara rehetra mianatsimo rehefa hody any Ambatobe kosa izy. Mety hahatratra adiny iray izany fanajanonana ny fiara rehetra izany indraindray satria efa niaina izany ny tena. Mba tsy ho ahiana hanakana ny fiaran'ny filohan'ny FAT intsony angamba ny fiaran'olo-tsotra rehefa vita itony fanasarahan-dalana itony.

 

alt


Efa tena ny olo-tsotra tokoa ny mandeha an-tongotra na dia mety hahatratra ora iray na mahery aza izany. Miaiky ireto fianakaviana manao andiany ireto hamonjy an'i Masay (ny zaridaina namboarina natao hitsangatsanganana ery akaikin'Andranobevava moa izany?) aho fa vao maraina ry zareo ireto no hamakivaky iny lalana iny. Ny folakandro moa dia feno mpandeha an-tongotra avokoa iny lalana natokana ho an'ny mpandeha an-tongotra iny ka manjary tskaritra fa ny lalana be mpandeha andavanandro lasa vitsy na tsy misy olona loatra, fa ny lalana tsy dia ahitana mpandeha an-tongotra kosa no feno azy amin'ity andro iray ity. Izany tokoa angaha no atao hoe mitsangatsangana.

 

alt

Teto indray ny olona no betsaka noho ny fiara

alt


Rehefa tonga ny atoandro vao tena matevina ny fidirana mankao an-jaridainan'i Masay na dia efa feno tanteraka aza ny ao anatiny ao. Tahaka ny fahafinaretana moa indraindray ho an'ny sasany ny mifanositosika ao anatiny ao na dia ny hipetrapetraka aza no noeritreretina handehanana amin'ny faritra tahaka ireny.

alt


Tsy dia nilahatra loatra ny fiara nivoaka ny fiara tamin'ny lalan'Analamahitsy iny. Tsy azo lazaina ho malalaka ihany koa anefa ny arabe fa somary afa-mandeha mafy avokoa izy rehetra. Teny Ambohitrarahaba ka hatreny amin'ny diako teny Sabotsy Namehana vao nisy ny fitohanan'ny fiara saingy tsy tena nitohana loatra fa nitanjozotra miadana no filaza azy. Ny mampihomehy dia mbola ahitana fiara fitaterana maty hatrany eny an-tsefatsefany eny ka ireny no tena mampisy ilay fitohanana fa tsy dia inona loatra. Sarotra manko ny hisongona fiara lehibe rehefa maromary koa ny fiara ifanenana.

 

alt

Tranga iray voamarika ny fahamaroan'ny mpandeha scooter izay maro nanao taingi-telo na taingi-droa. Telo manko raha miaraka amin'ny zazakely, ary roa kosa ho an'ny mpivady na mpifankatia fotsiny. Heverina ho ala-olana amin'ny fitohanan'ny fiara izany rehefa tonga ny fodiana araka ny fijeriko azy.

alt


Ny folakandro vao betsaka ny mpandeha an-tongotra no mamonjy ny afovoan-tanàna toy ny etsy Analakely sy Ambohijatovo. Eny no mipetrapetraka amoron'arabe tahaka ireny ankizy taloha tsy mahita atao mijery fiara mandalo ireny ny maro. Tena mahavariana indraindray ny mijery ireny olona ireny. Fa any anatiny any mety manantena ny hiditra anatin'ny fefin'ny kianjan'ny 13 mey ry zareo na dia hafanana be aza ny hozakaina ao. Sa kosa manimanina ny tolona natao? Tsy fantatro loatra fa ny maka sary no mahafinaritra ahy aloha!

 

alt

Na teo aza izany dia orambe no tena nibahana teto Antananarivo ny folakandro nanomboka tamin'ny telo ora sy sasany teo ho eo ary tsy nitsahatra izany mandrak'alina afa-tsy nandritra ny fotoana fohy ihany. Nisy aza moa, tahaka ny teny Tsimbazaza no nisy havandra nirotsaka mihitsy. Tsy nody maina izany ny mpitsangatsangana tamin'ity indray mitoraka ity.

alt

alt

tsy misy zavamameno na mpikabary akory teny

alt

alt

fa mpanala voly ihany fa tsy nisy mpivarotra tato anaty olona tato an!  


Jentilisa 26 avrily 2011, 01:38 maraina

Zoma masina [sary]

2011-04-22 @ 21:43 in Finoana

Anatin'ny Herinandro Masina isika ho an'ny kristiana. Raha ny Alakamisy masina sy ny alahadin'ny Paska no tena fantatry ny besinimaro dia manana ny anjarany ihany koa ny Zoma Masina ho an'ny fiangonana maro. Eo ny ankamaroan'ny antoko mpihira ao am-piangonana no manao antsam-panahy na toriteny an-kira. Saripika no aseho anareo tao amin'ny fiangonana nentina hahatsiarovana ny maritiora nandritra ny fanenjehana kristiana (protestanta) miorina eo amin'ny vohitra ihany koa saingy tsy miaraka vohitra amin'ireo fiangonana maritiora hafa eto Antananarivo. Iza ary io fiangonana io?

alt

Andro alina hatreo ivelan'ny vavahady

alt

Sary nalaina hatreo am-baravarana iray

alt

Ny antoko mpihira

alt

Sary nalaina hatreny ambony rihana

alt

Nampanakaikezina kokoa ny antoko mpihira ny kinendry

alt

Nalaina hatreo ambadiky ny mpijery, tsy nampiasa flash nandritra ny fakan-tsary rehetra

alt

Ny mpanatrika sy ny atrehina

alt

Ny mpanatrika ambony sy ambany rihana.

Ny mpanoratra dia mirary paska sambatra ho antsika rehetra. Hifampitondra am-bavaka anie ny mpino rehetra.

Jentilisa, 22 avrily 2011 amin'ny 23:58 

Ny Mbola tsy vita

2011-04-20 @ 10:41 in Andavanandro

Miarahaba ny rehetra indray, momba ny tanànan'Antananarivo indray no resahina etoana. Efa nahare ny tetikasa fitaterana filamatra avokoa amngamba ny mpanara-baovao rehetra. Ny fanatsarana ny fiantsonana miainga avy eny amin'ny 67ha mizotra mankeny Ankatso sy ny fiverenana no tsiahivina etoana. Efa nisy ny fitokanana ireo zavabita, izay tsy lavina fa mahafinaritra ny mijery azy ary efa volabe tokoa no lany. 


Saingy na eo aza izany ny fiantsonana etsy 67ha (efa tsy any intsony moa ny tena no mipetraka hany ka tsikaritra ilay izy rehefa nandalo teny ny tena) kosa na dia efa natomboka aza ny asa dia mbola maro loatra ny zavatra mbola tsy vita, ny arabe dia mbola tsy nokitihina ny antsasany. Tsy mbola tafaverina miasa eny ny fitaterana rehetra hany ka mbola any amin'ny mosquée hatrany ny lalan'ireo fiara maro ary lasa lavitra ny 67ha avaratra andrefana sy atsinanana ny misy azy rehetra.

alt

Sady matiantoka ny fitaterana no mandeha an-tongotra lavitra ny mpndeha ka manontany hoe rahoviana no hiverina amin'ny toerany ny rehetra, sa hitsahatra tanteraka ny asa satria efa lany ny vola? Toa ny mpivarotra amoron-dalana indray manko no mahazo vahana, nefa ireny no mahasimba voalohany ny toerana. Dia miandry fanazavana sy ny fahavitan'ny lalana ny ny fiantsonana ary isika rehetra!

jentilisa 20 avrily 2011 amin'ny 12:28

Taratasy misokatra setriny [2]

2011-04-18 @ 21:51 in Kolontsaina

Ny mpamaky ny Maharesaka Veto tsy tapaka dia mety ho nahatsikaritra ny fisian'ny taratasy misokatra ho an'ny mpikabary malagasy rehetra. Noho ny fifanarahana an-trano teo amin'ny mpianakavy taorian'ny fivoriana fanindroany misesy ny alatsinainy alina rehefa nahatontosa ny asany avokoa ny mpianadahy avy dia nekeko ny fanesorana ny lahatsoratra, saingy soloiko hafa midadasika kokoa izany ka tsy asiana loatra ny zavatra niainana. Misy ihany koa ireo namaly tany amin'ny sehatra samihafa koa dia apetrako etoana izany ankoatra ny tena anarany angaha. Azontsika rehetra hatrany anefa ny mbola manohy ny adihevitra.


Toy izao aloha ny ambangovangon'ny lahatsoratra nofafana : 


1. Fanivaivana olona eo amin'ny samy mpikabary no tena nampisendaotra ny mpanoratra. Hoy aho tamin'izany hoe :

Raha izaho manokana raha hanivaiva olona sy hanamboniako ny tenako no hanaovako kabary dia aleoko tsy miditra amin'izany fa tsy manefy ahy ho olom-banona velively izany.

Fanivaivana fa tsy mahay mikabary aloha, avy eo indray fanivaivana fa tsy mahay fomba rehefa hita ny fahaizan'ilay mpikabary. Mbola mitoetra hatrany ny adihevitra amin'izay olona tokony handray anjara fitenenana.


2. Efa tsy fanajana olona ihany koa araka ny hevitro raha ora maromaro vao ampidirina ny olona. Satria tsy hoe tsy misy atao afa-tsy fambolena sy fiompiana tamin'ny taonjato faha-17 sy 18 intsony ny olona. Nasiaka mihitsy aho nanoratra hoe:

Raha mbola tsy vita tokoa ny fiomanana dia tsy maninona loatra ilay fampiandrasana fa raha hoe isan'ny fandondonana varavarana no amohana na tsia azy io dia tazony ho anareo ny anareo ka aza tsiny raha ilaozan'ny hafa ianareo ary mety ho anisan'ny antony goavana mahataraiky ny Malagasy mihitsy ny zavatra tahaka itony.

Na izany na tsy izany, misy ny milaza hoe ilaina ny ijerena lazon'ady ny olona te-hiditra ho fianakaviana koa. Tena mety ho an'ny fianakaviana mpiompy sy mpamboly miandry ny vokatra am-bolana ny lazon'ady fa ny vanim-potoana ankehitriny anie efa ny isam-bolana na ny isan'andro no mikaonty nefa mbola hevitro ihany izany fa inona kosa no tena lafy tsaran'ilay fampiandrasana olona ary?


3. Ao anatin'ny "lalao" ilay mody miala rehefa tsy ampidirina an-trano ka tokony anaty lalao ihany koa ny miala maina satria resy ny mpikabarin'ny tena saingy nihazakazahan'ny mpikabarin'ny mpamoaka moa ny mody nanasohaso kely ilay zazalahy na nisy teny maharary nataon'ilay mpikabary tamin-drazazalahy ihany aza. Nanontany aho ny anton'ny fandoavam-bola vao miditra mialoha ny idirana an-trano fa ny fahazoako azy tsy mahay ilay "fomba" dia saran'ny fafa trano angamba iny. Efa novaliana mpikabary etsy ambany etsy ny tena dikany ary izay rahateo no notadiaviko.

Saingy izay angaha moa ilay fomba ka dia naloa ny sara na tsy nisy tapakila nandoavana azy aza. Izany hoe eto aho dia mitady fanazavana ny dikan'iny fandoavam-bola mialoha ny hidirana ao an-trano iny satria matoa natao iny dia tokony fantarina ny antony ho fakan-desona


 4. Misy ny adin'ny mpikabary ka eny imasom-bahoaka vao manao ny ataony amin'izay. Manaiky izany ny ankamaroan'ny mpikabary nifampiresaka tamiko. Averiko eto izay nosoratako hoe:

Anjaranareo mpikabary mpitana ny fomba amam-pitenenana malagasy ary azafady indrindra no manazava aminay ny anton'ilay fifanevatevana eo amin'ny samy mpikabary misy fiantraikany amin'izay mety ho fifandraisan'ny fianakaviana roa tonta. Toa misy fifanenjehana tahaka izany, hono, eo amin'ny fikambanana mpikabary samihafa sa diso izany? Izany ve no kolontsaina tianareo ampitaina amin'ny taranaka efa tsy mahalala intsony ny hasin'ny kabary sa fitaratra ihany ireny fa tena tia nifanevateva sy nifanambanimbany tokoa ny Malagasy teo aloha ka tonga hatrany anaty kabary izany? Sao fomba tokony ilaozana kosa e? Lasa tsy nisy dikany mihitsy manko na dia voateny tao aza ilay fitenenana hoe raha misy izay mangidy nolazaina dia aza ny tenako no ariana fa ny teniko


Indreto manaraka tsy misy ahitsiko ireto kosa ny setriny izay misy avy amina mpikabary mihitsy:


A. avy amin'i Naritsimba izay namana ao amin'ny serasera:


Mahay mikabary ve?


Miarahaba an'i Jentilisa ny tenako, efa ela tokoa tsy nihaona ary na mamaky matetika izay voasoratra aza dia izao vao hanampy fanazavana momba ny Kabary Malagasy. Mpikabary moa ny tena ary efa maromaro izay kabary naleha sy ny toerana nikabariana izay raha teo @ fanaterana vodiondry.


Misy tokoa ny fomban-tany izay mbola tena manaja feno ny fomba teo aloha izay nahatonga ny fitenenana hoe: Izay resy an-kabary, very vady aman-janaka." Amin'ireto faritra ireto no mbola tena mitana azy raha manodidina an'Antananarivo: Arivonimamo miankandrefana sy ny manodidina azy, Zafindravoromanga any Ambohitrolomahitsy (Talatan'Ivolonondry).

Ny mifamaly an-kabary dia fanao izany hoe fampisehoana ny hakanton'ny teny Malagasy, ny tsy fampandrosoana ny vahiny ao an-trano ela loatra dia tsy fomba fanao fa ny fandonana im-pito na in-tsivy izany hoe isa tsy an-kasa dia tokony ho vita ao anatin'ny 15mn-30mn raha ela indrindra.

Ilay hoe misy sara-pidirana ao an-trano, tsy hoe vola aloa iny fa, raha misy eo am-baravarana na eo an-tokonana satro-bory, dia androtsahana vola iny fa tsy sanatria raisina ilay satroka dia ariana, izany dia midika fa manaja izay zavatra hitanao ianao rehefa any an-tananan'olona fa tsy manilikilika ny hafa na handray ny tsy an'ny tena, ary io dia izay foy no atao ao, mety 100ariary na 200 ariary, tsy azon'ny tompon-trano lavina izay vola voarotsaka ao ary tsy misy ady varotra.

Ankoatra izay ireto avy ny karazam-bola fandoa:

Ala-fady tany= atolotra ilay mpikabary ary miala-tsiny noho ny tsy fahafantarana ny fomban-tany, mety ho vola io mety ho toaka;

ala-diso = atolotra ny mpikabary mpamoaka an-drazazavavy alohan'ny tena hidirana @ ranja-kabary mba tsy hisian'ny tsikera hahazo ny mpitondra teny avy aty amin-drazazalahy, indrindra raha misy teny diso voalaza. Ny vola amin'ireo dia tsy azo iadiam-barotra fa izay foy.

Toy izany koa ny "tampi-mason'anadahy" tsy azo iadiam-barotra, raha mbola tsy vita tamin’ny fiantranoana.

Ny vola manaraka moa dia ilay atao hoe SOLOMBODIONDRY miaraka @ ireo sakeliny maro: ala-volofotsy solon-tsakarano, hasim-bosarin-jaza ... io kosa dia tsy maintsy feno 7 rehefa tononina, azo atao anaty valopy tokana miaraka @@ solombodiondry, na valopy 8 isa ka ny valopy iray vodiondry ary ny 7 ambiny ireo sakeliny 7. Ny sakeliny 7 dia tsy azo iadiam-barotra ihany koa.

Misy tokoa ny mpiady varotra vodiondry fa io dia ny fahaizan'ny mpikabary mandresy lahatra ny havan-drazazavavy no hisian'ny ady varotra na tsia, ary mety hisy teny toy izao hivoaka hoe: "izahay tsy hividy olona, ary ianareo koa tsy hivarotra olona", zon'ny fianakavian-drazazavavy ny manokatra ny valopy misy ny vodiondry ary isainy, eo no raikitra ny ady varotra. Izao kosa anefa raha vao sokafana ny valopy misy ny vodiondry dia azon'ny mpikabarin'drazazalahy atao ny milaza fa, raha toa ka tsy hainareo ny mizara an'iny dia aleo izahay no hizara azy fa tsy sanatria hampiady anareo mianakavy no antony hahatongavanay eto fa handrindra fihavanana sy hanori-tokantrano, miampy ohabolana sy hainteny isan-karazany io mba handresy lahatra ireo tompon-trano. Koa raha vao raikitra ny fanokafana valopy, ka mandeha ny ady varotra dia efa tokony hiomana ny mpikabarin-drazazalahy fa raha vao raikitra ny fizarana dia tsy maintsy mahazo amin'iny daholo izay olona manatrika eo rehetra na avy @ lehilahy na avy @ vehivavy, ary ny zaza vao minono hatramin'ny antitra indrindra.

Tokony hiomana amin'ny vola madinika izany ny mpikabarin-drazazalahy, fa tsy azo atao ny mitondra ny vodiondry mivoaka ny trano atakalo fa dia tsy maintsy izy no mitady izay fomba hizarana an'iny eo imason'ny rehetra, izay fizarana izay no midika fa ampy tokoa ilay vola natokana ho solombodiondry, ampy mizara fa tsy voatery hitovy ny anjaran’ny tsirairay, ary matetika dia ny mpikabary avy amin-drazazalahy no mahazo betsaka indrindra. Ary hamafisina @ hoe : hitanareo fa tsy mba manao tombo sy hala ny zanakay lahy satria mitovy na ny havan’ny lahy na ny havan’ny vavy.

Momba ny adin’ireo sekoly mampianatra kabary indray dia tsy miafina izy io ho an’izay manana io toe-tsaina io.Ny tenako moa dia anisan’ny efa nianatra ary nampianatra, fa dia misy tokoa ny fifanenjehana eo @ fikambanana maro samihafa, toy nyfikambanana nisy ahy izao dia nolazaina fa mpanimba tsena satria maimaim-poana ny saram-pianarana na ny fandehanana mikabary, fa ny sara-dalana sy ny sakafo kosa dia anjaran’izay maka hikabary.

Amiko ny mpikabary manao toy izay voalazan’ny jentilisa dia tsy mpikabary ireny fa azo lazaina hoe : Mpanao adin’androvolahy, masiaka ambo an-kadivory ka mandany zara ny ao an-tanana. Tsy ao an-tsainy mantsy fa mety hiteraka zavatra hafa ny fihetsika nasehony rehefa tonga any an-tokantranony izy roa kely(sanatria anie izany)

Misaotra an’i Jentilisa nizara, ary nanao fanamarihana.
Mirary soa jentilisa


B. Avy amin'ny namana iray ao amin'ny vondrona yahoogroupes hoe serasera:


Miarahaba ny mpisera rehetra,
Tena lalina be ny zavatra apetrak'i Jentilisa eto ka tsy naharitra ny tena ny tsy isaotra azy. Tena mila fandalinana lalina tokoa ny momba ny fomba amam-panao. Tsara fantarina tokoa ny hevitr'izy ireny, ijerena ny soatoavina malagasy. Izay hita fa tsy mety dia ariana.

 
Ho antsika tokoa ny teny dia manan-tompo, natao ho an'ny zokiolona ny ray aman-dreny. Manan-jina ka tsy mety ny miteniteny foana sao mandratra olona, na misalovana ny anjaran'ny sasany ka dia sorohina ety am-piandohana amin'ny alalan'ny fialan-tsiny. Misy fanetren-tena tokoa izany. Tsy manao rano dingain'ny zinga velively e.


Ary io no tena adinontsika Malagasy fa manana io toe-tsaina tia fanetren-tena io isika. Tsy lavorary akory isika na izany aza. Fa fifampitaizana no atao e. Tsy resaka arifenitra io (protocole) fa tena fanajana, fanomezana hasina ny tsirairay mihaino anao.

Olombelona tahaka ny olombelona rehetra anefa isika ka mba misy koa ao amintsika ao te hanambony tena, te hizahozaho. Fianarana ny zava-drehetra, ka izao no fiteninay  hoe : "Mianara any am-pilalaovana, fa aza milalao ao am-pianarana" ! Isika Malagasy koa moa dedaka indraindray ka maka tahaka be fahantany fotsiny dia manjary manaonao foana (io ilay mimitisme e), manao randrana tsy manendrika ny tena fa lamaody hono e. Ny mpanao politika sy ny mpanao gazety indraindray tratran'io "mimitisme" io. Randjazanamihoatra dia niteny hoe "Mahavariana isika Malagasy, fa isika no manahaka ny vahiny, fa tsy ny vahiny no maka volontany".


Fa ny tenako dia isan'ireo mpametraka fanontaniana hoe : "Mety ve raha tovolahy na tovovavy vao misandratra ( 20 taona any aho any) no mikabary am-panambadiana ?"  Tokony hiandry ny fotoanany izy. Mahafinaritra tokoa ny mahita zazakely manao tsianjery kabary, mitehaka be isika. Fampisehoana kolontsaina iny. Fa zava-dehibe izany fanambadiana izany fa tsy fampisehoana, ny kabary am-panambadiana dia tena misy lanjany tsy ny zavatra ho tenenina ihany fa ilay olona miteny koa. Koa tokony asiana an-tanan-tohatra ny momba io. Misy hasina fototra itoviantsika rehetra amin'ny maha-olona. Fa ny hasin'ny dada sy neny tsy mitovy ny ahy zanaka, mba fijeriko azy.

Mbola mety ifanakalozantsika eto momba ny hoe : ray amandreny sy raiamandreny sns.... Fianakaviana roa no afatotry ny fifankatiavana ireo mpifamofo. Koa hafatra be no ampitaina. Tenierana no atao. Koa aoka tsy ho fombafomba fotsiny na endriky ivelany e. Dia manjary hatrany ambavahady avy no mifampiandry. Toa mampihomehy ihany izy izany. Raha hiteny ny mpangataka hoe : "...vory ve ny mpianakavy e", dia mamaly ny mpamoaka hoe : "...mbola mampirina trano izahay fa andraso ao ivelany ao e !!!...". I Jentilisa aza niteny momba ny portable !!!
Izay no mba tsetsatsetsa tsy aritra e. Aloavy izay mangidy e.
Tahian'Andriamanitra. Ho Herinandro Masina tsara daholo ho an'izay manao izany.
XXXXX Liva


D. Olona iray hafa ao amin'ilay vondrona nolazaiko etsy ambony ihany


manahoana  

Hoy Jentilisa hoe dia tena @ "fanalikana" olona no hitany. Io moa @ kabary, fa voamariko koa, fa rahefa mijery sarimihetsika malagasy aho (sy izay miara-mijery eo) dia vaky vava fa dia feno resaka mivindavinda sy mifampivazavaza sy mifanabaty @ireto tantara. Dia variana hoe, ataok'ity ny firesahana, ny fifampitondra-tena, ary indrindra koa @ kabary MALAGASY dia feno fialan-tsiny sy fialam-pondro ary fifandeferana sy fifanajana, ary rahefa tena hoe "hamely" akory aza @ kabary, dia atao anatina teny kisarisary faran'izay lalina sy mihodina... 

Dia izao indray, averina sy ahitatra ny resaka.

Dia variana ho'a zahay fa rahefa mijery sarimihetsika frantsay, na koa ohatra ny boky avy any frantsa, dia ny vazavaza sy esoeso sy fanapepoana dia be dia be. Io aloha dia avoitrako lava amin-janako, ary efa takany tsara, ohatra rahefa mijery ireny Bill Cosby na Fresh Prince taloha ireny izy, dia avy eo boky na film frantsay, koa na ohatra fotsiny hoe Boule et Bill.  ka dia tsoriko aloha ny ahy, fa raha ny fahitako azy dia "francisé" ny any amintsika, fa dia izay izany... Enga anie ny tanora aty aoriana @izao fanatontoloana izao, mba mahatakatra mihoatra ny ataon'ireto "francisé" ireto..  mandrapiresaka

 haja


E. Mbola afaka manohy sy maneho ny hevitrareo avokoa ianareo rehetra: marihina fa tao amin'ny Facebook dia nisy amin'izay ny nahasahy naneho ny heviny ny tsy fankasitrahany mihitsy ny kabary satria maro ny tokantrano efa ravan'ny mpikabary sy ny domberina avy amin'ilay andro iray niova ho faka mangidy tamin'olona. Ninia nangina ireo noho ny tahotra lazaina ho mpanevateva ny fomba saingy fotoana iray nanararaotany nilazany ny alahelony ilay lahatsoratra avy eo satria tokony hisy hatrany araka ny fahalalahan'ny tsirairay ny mamoaka izay ao am-pony.


F. Azo atao ve ny mampisaina ny rehetra/tsirairay amin'izay mety ho fiantraikan'ny fomba mampisaraka na mampiady? Ahoana ny tokony atao hampivoarana ilay fomba hiara-dalana amin'ny fandrosoana sa tsy azo atao mihitsy fa ny tamin'ny taonjato maromaro lasa ihany no tsy maintsy arahina?


Jentilisa, Alatsinainy 18 avrily 2011 amin'ny 23:50

VIP: Mbola lesona ho antsika ihany koa i Cote d'Ivoire

2011-04-14 @ 10:00 in Politika

Ny VIP moa dia Vaovao Iraisam-Pirenena no fanafohezana azy fa tsy izay mety ho eritreretinao  hoe Very Important Person raha ato. Ny VIP no mifamaly amin'ny VETO izay Vaovao Eto an-TOerana ny fanalavana azy ho an'izay taty aoriandriana kokoa vao namaky ity bolongana ity.

Efa hatramin'ny ela ihany aho no tsy dia mankasitraka loatra ny idiran'ny tafika vahiny eto amin'ny firenena raha nanantena mafy dia mafy ny tafiky ny SADC ny mpanohana an-dRavalomanana hatramin'ny 2009 no mankaty. Sarotra ho an'ny tafika SADC ihany koa anefa no hiditra amin'izany fanafihana izany fa miasa dia miasa tokoa ny sampam-pitsikilovana Frantsay ka narahin-dry zareo maso fatratra izay mety ho fihetsiky ny tafika manokana an'ity fikambanana iraisam-pirenena aty atsimon'i Afrika ity. Naharesy lahatra ahy tanteraka ny toe-java-nitranga tany Cote d'Ivoire faramparany teo.

Nisy fifidianana natao tany Cote d'Ivoire tamin'ny faramparan'ny taona 2010 teo. Nisy ny toe-javatra hafahafa izay tsy nisy mpilaza loatra satria mety hanimba ny teti-panorona nandritra izany fotoam-pifidianana izany. Nisy fotoana manko raha nandrasana ny voka-pifidianana dia tsy hita ny filohan'ny CENI na ny vaomiera manokana momba ny fifidianana. Avy eo dia nanao fanambarana tampoka nilaza isam-bato ka nanondro avy hatrany an'i Alassane Ouattara ho filoha, na dia tsy andraikiny aza ny manondro izay filoha lany izay fa miandry ny cour Constitutionnel izay mitovy amin'ny HCC aty amintsika. Nihazakazaka avy hatrany ny Frantsay nilaza fa i Alassane Ouattara no filoha eken'ny fiaraha-monina iraisam-pirenena. Nanaraka izany hadalana izany ny Amerikana.

Nisy manampahaizana momba ny lalàna tao amin'io firenena io nilaza fa fandikan-dalàna ny fanendren'ny CENI izay ho filoha saingy nodiana fanina hatrany izany fanazavana izany. Anjaran'ny CC kosa ny manaiky na mandà ilay vokatra avy amin'ny CENI arakaraky ny fitarainana azy ka nilazan'ny CC an'i Laurent Gbagbo ho nandresy tamin'ny fifidianana satria nisy ny halabato tany amin'ny faritra sasany ka namonoana ny vato tamin'ireny faritra nihoampampana ireny ny isan'ny mpifidy. Efa nahery dia nahery anefa ny haino amanjery frantsay izay mampiely araka izay tratra fa lany araka ny fomba demokratika sady eken'ny iraisam-pirenena i ADO. Resaka gidragidra amin'izay no tohin'ny raharaha.

Ny azo marihana dia ny fandraisana anjara mavitrika nataon'ny tafika frantsay tamin'ny fanafihana ny trano fonenana sy ny lapam-panjakana itoeran'ny filoha tao Cote d'Ivoire. Tafika vahiny manafika lapam-panjakana moa fa tsy toy ny fanafihana ny mariky ny firenena izany? Mampahatsiahy avy hatrany ny nitifiran'ny tafika frantsay an'i Manjakamiadana tamin'ny 30 septambra 1895 ka nahatonga ny eritreritra hoe dia tsy niova fanao mihitsy izany Frantsay izany. Ny nahasamihafa azy, tsy nanangana saina fotsy i Laurent Gbagbo fa naleony nosamborin'ny tafika Frantsay entiny hanehoana amin'izao tontolo izao fa ny Frantsay no manao ilay fanonganam-panjakana. Na dia noezahina nafenina aza fa ny tafika Frantsay no nisambotra an'i LG dia nipoitra vetivety ihany ny marina noho ny fisian'ireo haino aman-jery iraisam-pirenena tsy miankina amin'ny tombontsoan'ny fitondrana Frantsay. Nanara-dia tsy fidiny irety farany avy eo nilaza fa ny tafika frantsay no nisambotra ka nanolotra azy ho an'ny milisy an'i ADO mody nolazaina ho tafika repoblikana aza satria manko notohanan'ny tafika frantsay tamin'ny fitaovam-piadiana izy ireo. Ankehitriny moa dia ireo milisy ireo indray no "tafika ara-dakàna" taorian'ny fanonganam-panjakana nataon'ny tafika Frantsay.

Mitodi-doha eto an-tanindrazana indray ny tenako taorian'izay fanazavana izay. Moa ve tsy mampihetsika ny hambom-po sy ny fitiavan-tanindrazana ny fidiran'ny tafika vahiny toy izany? Moa ve tsy fanadisoan-kevitra teo amin'ny mpanohana an-dRavalomanana ny fanantenana hidiran'ny tafiky ny SADC eto an-toerana? Lasa manome rariny ireo mpifanandrina ara-politika taminao raha niditra teto tokoa ny tafika vahiny, sady mora ny manomboka ady fa sarotra kosa ny mamarana izany.

Koa raha tsy misy ny vahaolana hafa avy eto an-toerana hanoherana ny ataon'ny milaza tena ho fitondrana eto Madagasikara dia tsy misy afa-tsy ny fitakiana an-dRavalomanana hirotsaka hofidiana ihany no azo atao ary mikiry amin'izany amin'ny fomba rehetra. Fa raha manantontosa fifidianana manakatsakana ny hafa tsy hirotsaka ny eo amin'izay milaza tena ho fitondrana dia samia mieritreritra ny tsirairay amin'izay azo atao eo noho eo fa tsy ny mijery na mipetra-potsiny, afa-tsy hoe manaiky resy angaha ianao!

Jentilisa, 14 avrily 2011 amin'ny 12:00

 

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aprily 2011 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox