Ny Tolona an-tononkalo

2010-01-31 @ 16:14 in Kolontsaina

Tsy dia maro ny tononkalon'ny tolona ary mampieritreritra aza indraindray hoe tankina hatreo angaha ny aingam-panahin'ny mpanoratra Malagasy no tsy dia ahitana tononkalo na hira fitolomana ankoatra ny "Iny Lalana Iny" izao toe-draharaha misy eto Madagasikara izao? Koa hanentsenana ny banga dia hanolotra manokana ireo tononkalo notsimponiko teny ho eny aho:


NITSO-DRANO

Ny sainao nikotrika
Ny tananao namotika
Fananam-pirenena
Sy harena sesehena

Ny vavanao nibaiko
Ny tongotrao nijaiko
handrava izay nijoro
nojerena an-tanam-polo

Moa tsy handatsa havana
Raha fitiavan-tanindrazana
No hadika sotasota
Moa tsy heloka sy ota

Mpandroba efa vonona
Lazaina fa mpitolona
Ka ny voina an-tsitra-po
No natao mahery fo

Fa ianao dia ianao indrindra
No nanainga tongotra namindra
nitso-drano hoe: mandehana!
Tanteraho ny fanimbana

Rakotobenja Léonard Efraïma


TSY IANAO

Tsy ianao no olona ory ry miaritra ny ngidiny
Tsy ianao mihitsy akory no lazaina ho faraidiny
Tsy ianao manao ny marina nefa indrisy fa sahirana
Na ianao izay te hiarina fa tsy manana hamikirana.

Tsy ianao manjoni-dava f'efa reraky ny tolona,
Na ianao mikombom-bava nony injay enjehin'olona.
Tsy ianao izay matin-kitsaka nefa tsy afaka mamaly
Tsy ianao mamitsapitsaka, matim-bono sy mijaly.

Fa ny farafahoriana dia ny manam-pahefana
Izay mampiasa habibiana fa ambonin'ny lalàna,
Satria senton'ny mpitolona no mozika fitsinjahany,
Ary ranomason'olona nomba hiram-pivavahany.

Ireo no farafahoriana tsy mahita fiadanana.
Ireo no ndeha hitomaniana f'efa maty am-pitsanganana.
Maty fa tsy vazivazy, vatana mijoro sisa,
Ka inoana fa tsy ho azy izany atao hoe paradisa.

Sedera Ravalison


AKON'ANTSAHAMANITRA

Toa tsinjoko misokatra ny lanitra, mitsiky indray ny ampitso
Tsy ho resinao ny marina, Andriamanitra tsy ho diso
Ny fahanginanay izay mino, tsy midika ho faharesena
Fa izahay na tsy miteny, miaina tokim-pamonjena

Araho anie ity tantara, tena nisy sy niainana sanatria tsy anganongano
Very ny asa fivelomana, fafy lainga, fandrahonana,maso be manganohano
Tsy zonao ny miteny, na hoe hilaza hevitra, sa ianao te ho voasambotra ?
Migadragadra fahatany, tsy afaka hiantso fahamarinana na koa mba hisarangotra

Miandrandra fahafahana sy tokim-piadanana isika malagasy,
Ka somary very hevitra sy toa niraviravy tanana ary koa nangasihasy
Fandrobana, fandravana,herisetra,mahatahotra ary tena tsy mitsitsy
Ireo no rivotra nafafy izay nataon-dralilison, ry Sarla, ny FIS

Nangina koa ny fiangonana, F'angaha tsy misy fahavononana?
Maromaro tsy hay tononina, no kivy ketraka sy tsy nahita fiononana,
Ary tsoriko etoana fa toa tsy nanana hery akory hamonjena fiangonana,
Toa resy ê, ka hany hery dia miandry eto ny fotoana izay higadonany

Ka hafaliana anie ny anay, nisentosento ravoravo fa toa misokatra ny lanitra
Raha vao nahare sy nilazana, fa isan-kasabotsy dia hofenoina Antsahamanitra
Hiaraka hanandra-bavaka, hiara-hihira fiderana, hiantso indray ilay Ray tsy To
Hijery ireto malagasy, trotraky ny tsy rariny ka miandrandra Indra Fo

Izaho mino, isika mino fa ny tanan'Andriamanitra dia mamikitra tsy manadino
Tan-Tsorony matanjaka, tsy hita maso, tsy mba raraka no nomeny antsika mino
Ka na basy marovava, miaramila sy forongony, no miatrana hanandevo vonona hamono
Andriamanitra no Niaro sy Niambina ny isan-tokony,tena tsapa tsy honohono

Ka andeha re ry Antananarivo, tsy resy ianao, fa mifohaza ary aza mety lao
Raiso ny baibolinao, ahondreho ny lohanao, antsoy ny Tompo izao dia zao,
Manokana ianao fotoana, isan'andro isan'ora, ka asandratonao ny Hanitra
Ankasitrahan'ilay Tompo,mandra-piandry ny sabotsy ho feno indray Antsahamanitra%

Tranainy, Afrika 20 janvier 2010 à 09H16


'ZAHAY

'Zahay dia tsy maintsy mamaky bantsilana
ireo izay tsy mety ka mila hotenenina.
Tsy tantinay mantsy raha toa mitongilana
Irony vilany kanefa tsy harenina.

'Zahay tsy hipetraka intsony ho mpitazana
Ny olona adala efa manary lamba.
Ho anay tena masina ny tanindrazana,
Tsy ampitantanina olona jamba.

'Zahay tsy hijanona intsony ho mpijery
Na hoe mpitehaka fotsiny ihany
F'ilay Gasikara tsy foinay ho very,
Tsy tianay hiverina ho zanatany.

'Zahay tsy hijanona intsony ho mpifatotra;
Alanay ny tady nangeja ny lasy.
Ny anay ny safidy, safidy efa matotra:
"Tsy mila mpanjanaka ny Malagasy".

Dadan'i Zina


MBA HO IRAY...

Mba ho iray no tarigetra
Sady vavaky ny mpino;
Saingy ny tsy marin-toetra
Dia mikimpy, manadino
Sy maneso ireo mivonona
Hampiray sy hampihavana;
Nefa mbola sahy mitonona,
Ho mpitory ny fitiavana.

Izany ve no hoe mpivavaka
Tena mendrika hoekena?
Sao mpamarina any an-davaka
Sy mpambotry firenena?

Mitomany anao ny lanitra
Ry minia mialangalana;
Ianao izay miantso an'Andriamanitra
Nefa dia mivily lalana.
Mitomany anao satria
Ny Mpaminany tena mendrika,
Sahy mijoro, miara-dia
Fa tsy mba miafinafin'endrika.

Sedera Ravalison


HANDRESY

Tsy maintsy misy zavatra mankarary fo
ety an-tany ety
Tsy maintsy misy ady mahavalaka ny loha
sy tena mankahia

Ao ny velam-pandrika, ao ny sotasota
hanakana ny dia
Ao ny fivadihana sy ny velina kanota
ataon'ireo tsy tia.

F'izao, izay mino sy matoky
an'Ilay Kristy
Handresy sy ho voasoratra amin'ny bokin'
ny fiainana doria.

Rakotomalala Rivoniaina Rija


REHEFA...

Rehefa anaovana herisetra ny olona ry fiangonana,
Na enjehina isan'andro sy iharam-pandrahonana;
Aminay ny toy izany dia porofo iray mazava
F'Andriamanitra mihitsy no efa notampenam-bava.

Rehefa aiditra am-ponja sady anaovana antsonjay
Ny namana mpanao gazety manapotsitra ny vay;
Aminay ny toy izany dia maneho sy manambara:
Didy jadona no iainana eto Madagasikara

Rehefa ampiharina isan'andro ny karazana amboletra:
Ka ny manam-pahefana lasa rain'ny herisetra;
Aminay ny toy izany dia midika tsotr'izao
F'ianao mitonona ho mpitondra no efa "tsisy kalitao"

Rehefa hita miharihary f'efa lo ny fitondrana,
Fa ny olona tsy marina no arovan'ny lalàna;
Aminay ny toy izany fitondrana tsy azo ekena:
Mila arodana avy hatrany fa manimba firenena.

Sedera Ravalison (13 janoary 2010)


Marihina fa ireo rehetra ireo dia nalaina tao amin'ny gazety Tia Tanindrazana nivoaka nandritra ity volana janoary 2010 hivalona ity avokoa. Raha te-hametraka hevitra na hanohy ny aingam-panahin'ireo mpanoratra ireo ianao dia tsarovy ny mametraka izay soratanao amina vakiraoka (brouillon) aloha; avy eo dia ankotrihinao ny takelaka (actualiser) dia apetrakao amin'ny toerana fametrahana azy ny lahatsoratrao ary feboinao avokoa izay tokony fenoina dia mirary aho fa tsy ho tratran'ilay filazana hoe tsy mahazo alalana hametraka hevitra iny ianao.



jentilisa, alahady 31 janoary 2010 amin'ny 18:18

26 janoary 2009 nakana hevitra tamina roman gasy

2010-01-25 @ 21:37 in Ankapobeny

Mety tsy hampino anareo ny zavatra lazaiko saingy rehefa namaky ity boky ity aho dia resy lahatra ihany fa nakana saina tamina roman (tantara noforonina malagasy) ihany ny zava-nitranga tamin'iny 26 janoary 2010 iny. Holazaiko anareo eo ihany ny antony fa hiresaka zavatra manodidina ity tantara nampahonena teto amin'ny firenena ity ihany isika.

Tsikaritra kely tamin'ny TVM

Nijery baolina ny tena ka teo amin'ny firavana ara-dalàna nisarahana ady sahala dia nandefa vaovao kely ny vaovao an-tsarin'ny TVM. Fanararaotra hamoahana ny vaovaon'ny fitondrana tokoa ny fotoana mahavory lanona ny mpankafy baolina fandaka sahala amin'izao sady samy ekipa goavana rahateo no nifanandrina. Mialoha izany, amin'ny maha-alatsinainy ny andro dia nampahatsiahy ny zava-nisy andro alatsinainy tahaka izao tamin'ny herintaona ny televiziona, sary hafa mbola tsy nivoaka firy tamin'ny haino aman-jery samihafa. Ny famakiana sy ny rodorodo efa hitantsika taty amin'ny aterineto ihany fa ity iray ity no mbola tsy nivoaka firy.

Tovolahy iray no nitondra karazana farango vy anankiroa, nahazo ny terrasse, sady misy kiririoka teny ambavany no namaky fitaratra tranobe vaovao tamin'ny farango roa nentiny. Heno tsara ny hatezeran'ny olona sy ny fandavana tsy hanaovana ilay fomba ratsy fa tsy noraharahiany izany. Ny tsy tao an-tsain'ilay tovolahy dia nisy badge mavomavo niambozonan-dranamana. Tsy nahatsikaritra io aho fa ilay teo akaikiko no nihoraka avy hatrany ka nanaitra ahy ihany koa ny fisiany. Anisan'ny mpiandraikitra ny tolona ve ranamana io raha niambozona badge teny an-tratrany? Na tsy mety miroso aza ny famotorana tsy maintsy lazaina izay tsikaritra izay ho singa hanaovana ny fanadihadiana rahatrizay.


Tsy sahin'ny ankilany mafana fo lazaina loatra

Misy ireo olona minia mampitadidy ny maha-alatsinainy nisian'ilay androm-pisaonana teto amin'ny firenena. Tsy à l'aise loatra indray anefa ny tena mafana fo tamin'ireny tolona nataony ireny rehefa hotsarovana ity andro iray ity. Minia tsy miresaka mihitsy ry zareo raha ny alatsinainy izay aloha no lazaina fa ny talata 26 janoary 2010 no tsy fantatra hanao ahoana amin'izay ny ho resaka. Angamba hieritreritra ny ho fialana bala amin'izay adihevitra mety hitranga ry zareo saingy rano raraka tsy azo raofina intsony ireny ka aleo samy hitsakotsako izay vitany.

Ny tena mahalasa vinany koa dia toa tadiavin'ny mpitarika ny tolona hamerenana ny ara-dalàna handalovana fotsiny ihany koa ity andro fahatsiaroavana iray ity. Tena tsy manana hevitra mihitsy ve ry zareo sa tena tsy azo idirana intsony mihitsy ny ery amin'ny Auditorium Ankorondrano no tsy mba misy mari-pahatsiarovana bitika hatao amin'ity andro iray ity herintaona katroka aty aoriana? Hamela mari-pahatsiarovana ihany angamba ny tena hanamarika fa tolon'olo-tsotra no tena iaingan'ny tamin'izao fotoana izao sady tsy mbola hita ireo milaza ho mpitari-tolona amin'izao fotoana izao tamin'izany fotoana izany. Sa horarana ve ny fidirana ny Magro Ankorondrano? Tsy nandrenensana fanomanana mihitsy aloha fa dia an'ny tsirairay ihany angamba no manao izay tsiaro mangina ataony.


Rotaka maty paika

Hiverina amin'ny lohateny amin'izay aho. Efa hanakaiky ny roa volana sahady izay no namakiako voalohany ity tantara noforonina malagasy ity. Faralahy Idealy Soa zanany no nanoratra azy tamin'ny taona 1978 ary natonta fanindroany tamin'ny 2005. "Rotaka maty paika" no lohatenin'ny boky ary navoakan'ny Edisiona Takariva. Mbola olon-kafa ihany koa no nanoro ahy ity boky ity ary nahavariana ny Fintina nataony tany amin'ny fonom-boky farany. Izao no voasoratra:

"Fa iza hono no fahavalo? Ny Sinoa angaha? Tsia tsy ny Sinoa akory ka... Ny Karana? Tsy ny Karana akory ka... Fa iza? Ny Vazaha fotsy hoditra?... Tsia, tsy ny Vazaha hono ka... Fa iza ary? Ny Malagasy hono. Ahoana?... Ny Malagasy hono no enjehina e!... Fa iza no manenjika? Ny Malagasy ihany hoe...!
...   ...   ...   ...

Tsitapitapitr'izay dia nanomboka ny rotaka mahery setra nanodidina ny tanàna ... Nanomboka teo dia tsy fantatra intsony ny asan'ny mpanararaotra sy ny tena vokatry ny hatezeran'ny olona... Ny hita diananenika ny tanàna izany herisetra izany... Maro ny olona no namoy ny ainy. Maro koa ny naratra. Maro ny nandositra ..."

Hatreo ihany dia tsy maintsy ho taitra ny tena hoe fa ahoana tokoa ity boky ity? Fa ny fizarana fahatelo teo amin'ny fonomboky aloha no tsy mbola nisy nanatanteraka tamin'iny tolona 2009 iny : " Lehilahy efatra... nitambatra tamin'ny lehilahy iray... efa ho torana ... mangan'ny daka sy ny vely langilangy ... "Ilazao ireo naman'ialahy fa tsy matahotra anareo  mihitsy izahay... Ialahy isany no manao an'ialahy isay ho iza? ... Raha tsy tapitra tamingana ianareo tsy avelanay!"

Mazava loatra fa raha oloa niaina ny zava-nisy teto amin'ny firenena tsy maintsy ho liana tamin'izay voasoratra tao anatiny, sambany indray i Jentilisa no hamaky boky tantara noforonina. Efa ela tokoa izay. Nahavariana ny fifanandrifian-javatra! Manana pejy 154 aloha ilay boky... Fohifohy ihany. Handeha hatsidika vetivety hatrany amin'ny farany ny tantara. Toy izao no voasoratra:
 
"Ny tetika farany tamin'ity tetika mandoza ity dia ny fandraisan'ny tanora anjara amin'ny fihetsiketsehana. Efa vonona avokoa ny  fomba hanodikodinana ny fitakian'ny tanora ka hahatonga ny fihetsiketsehana nomaniny ho fifandonana amin'ny Tafika sy ny fitondrana isan-tsokajiny ary indrindra ny fifandemena amin'ny masoivohom-pirenena vahiny eto an-toerana. Amin'izay mantsy dia ho mora foana sy ho voamarina ny fandraisan'ny miaramila vahiny anjara amin'ny korontana : Ho fiarovana ireo terantany vahiny no lazaina nefa dia hanampy trotraka ny fisavorovoroana no ahatongavany eto amin'ny Nosy. Raha ny marina dia hametraka eo amin'ny toerany ilay saribakoly efa azony antoka fa hahazoany vahana indray any aoriana any no na antony." p.153

Mahavariana ny tantara! Dia fifanandrifian-javatra fotsiny ve ny tolona 2009 sy ity roman mitondra ny lohateny hoe "Rotaka maty paika" nosoratana tamin'ny 1978 ity ary i Andry no "heros" ao anatiny?

Ny ambangovangon'ny tantara

Teto Antananarivo sy tany Toamasina ary tany Mahajanga no niseho ny tantara. Nisy olona nanakarama ireo mpanendaka sy jiolahy monina eny ambany tanàna (tetezan'i Bekiraro sy Ilanivato) handeha hamaky toeram-pivarotana maro tany Toamasina dia avy eo indray hamono olona na foko tany Mahajanga. Ankoatra ny karama dia tombony ho azy ireo ny fahazoana ny zavatra norobaina ho entiny mody any an-tranony. Ireo jiolahy ireo no tena niasa mafy tamin'ny fanaovana rotaka tao amin'ilay tantara satria ireo no mpitarika hita maso tamin'ny fibaikoana ny andian'olona nentiny handroba na hamono olona. Mandeha fiara fitaterana sahala amin'ny olon-drehetra ry zalahy jiolahy ireo hamonjy ny toerana hanatontosana ny iraka. Kitapo am-bambena kely ihany no entiny amin'izany famitana ny iraka nataony izany.

Izay mahalala ny tantara nitranga teto Madagasikara dia hahatsiaro avy hatrany ny fandrobana ny toeram-piarotana tany amin'ny bloc commercial tany Toamasina tamin'ny 1973 izay namakiana sy nandoroana ihany koa ny toeram-pivatorana an'ny Merina. Raha mitodika tamin'ny famonoana tany Mahajanga indray dia ny fandripahana ny Komoriana tamin'ny 1977 avy hatrany no ao an-tsaina. Izany hoe ny mpanoratra eto dia avy tamin'ny zava-nisy teto teto Madagasikara ihany no namboariny ho lasa tantara noforonina; nefa ilay hevitra tao anatiny hanaovana ilay rotaka indray, raha ny fijeriko azy no nakan'ny sasany hevitra ka nanaovany ny tolona 2009 ka tsy afa-misaraka amin'izany ilay 26 janoary 2009 nandrobana sy nanimbana ny fananam-pirenena sy fananan'olo-tsotra izay an'ny Malagasy (sy an'ny Shinoa koa ny manaraka noho ny CITIC sy ny Supreme Center izay Malagasy ihany no mitana ny toera-mpivarotana maro tao anatiny) fa tsy voakitika kosa ny an'ny Karana sy ny Frantsay.

Tahaka izay sy tahaka izany ilay tantara novakiako roa volana latsaka izay koa asa raha tamin'ity tantara noforonina ity tokoa no nanaovan-dry zalahy ity 26 janoary 2009 ity na sendra izay fifanandrifian-javatra nahavariana ihany ny mpanoratra. Mba ahoana kosa ny hevitrao? Raha hametraka hevitra ianao dia ataovy vakiraoka aloha izay tian-kampitaina dia ankotriho (actualiser) ny takelaka dia apetraho amin'izay ilay hevitrao fa tokony hety izy avy eo.



Jentilisa, 25 janoary 2010 amin'ny 23:44

Vavaka mampigadra

2010-01-21 @ 21:54 in Andavanandro

Efa nisinisy ihany ny nitantara ny zava-nitranga ny alakamisy 21 janoary eto amin'ny tontolom-bolongana malagasy. Mety kosa angamba raha mitantara izay hitako aho. Efa fofona manempotra no niandry anay teo amin'ny fandraisana fiara fitaterana teo Anosy manoloana ny Carlton sy ny radiom-pirenena. Tsy navelan'ny miaramila nijanona teo loatra ny fiara fa tereny handeha avy hatrany ary norarany tsy hahazo mijanona miandry fiara fitaterana eo ny olona. Heveriko fa ny tena naharomotra an-dry zalahy ireo dia hita fa betsaka amin'ny mpitolona teo no mpanohana an-d Ravalomanana, nefa tsy zakan-dry zalahy mihitsy ny tahaka izay. Tsy niala teo moa izahay mazava loatra. Teny antenantenan-dalana izahay no niala noho ny fitohanan'ny fiara... izany hoe tsy nisy valy bontana avy amin'ny olo-tsotra velively ka namaliana ireo mpitana ny fitaovam-piadiana ireo ary tsy nisy tapikana vato nitorahana mihitsy tavela teny amin'ny arabe.


Eny amin'ny arret eny Anosy manoloana sy ampitan'ny cité Jardin dia feno olona mijoro ihany koa, fantatra ireo fa tsy handray fiara velively fa miandry zavatra na manantontosa ny anjara tolony. Misy kosa ireo mpitana fitaovam-piadiana no aviavy amin'ny olona eo ka mandroandroaka sy manao ramatahora, eny fa na dia ireo olona any anaty fiara aza. Ny tena mafana fo amin'ny famoretana olona moa dia ny zandary (misatro-mainty), misy ny olona mihataka (miampita ny arabe) ary misy ny tsy mihetsika mazava loatra fa mijanona eo ihany. Ny zaridaina dia tsy azo ipetrapetrahana fa an'ny mpitana fitaovam-piadiana irery. Lasa misy sary vaovao mipetraka rehefa mahita izany tranga rehetra izany: sahala amin'ny hoe tsy azo idiran'olo-tsotra intsony ny zaridaina rehetra manerana ny tanàna.


Manaraka izany indray dia hiresaka kely ny lohateny aho. Nivezivezy ihany koa moa ny tena nijery hatrany ny teny amin'ny manodidina teny. Hita fa nisy andian'olona nipetraka nanemitra ny fefy avaratra (ivelany) amin'ny zaridainan'Anosy. Marihina indray fa olon-dehibe retirety sy vehivavy avokoa ny ankamaroan'izy ireo. Maimbo rà indray ireo zandary efa niambina ilay fiantsoana manoloana ny Carlton ka niantso ny namany. Raikitra indray ny  fandefasana baomba mandatsa-dranomaso ka voan'ilay bolongana iny tao anaty olona tao ny tovolahy iray. Naratra mihitsy moa izy io. Nahita izany ny ramatoa iray fa tonga dia nivavaka sy nandroaka devoly. Nampiempo ny mpitana fitaovam-piadiana angaha izany ka dia ny zanany avy hatrany no noraofin-dry zalahy. Nanaraka ho azy ramatoa... tsy nety nitsoaka moa izy ireo ka izay angaha no nanaovana ny fisamborana... Tsy nisy tora-bato tsy nisy fandrangitana velively tao anatin'izany fa olona nangina sy mipetraka no anaovan-dry zalahy fanamparan-kery. Sary voataratra ao anatin'izany: Miady amin'ny fanahy ratsy ny mpitolona ka tsy mba mamaly velively ny fihetsika ataon'ny mpitana ny fitaovam-piadiana... Ny fanahy ratsy no roahiny tsy hanjaka. Setrin'izany dia romodromotra aoka izany ireo mpitana fitaovam-piadiana te-hampiditra ny ady amin'ny nofo aman-dra... ary dia ny olo-tsotra tsy nanao ratsy na inona na inona azy no roadroahiny.


Maro an'isa amin'ireo mpitandro ny filaminana no mijoro fotsiny tsy manao na inona na inona fa iretsy vitsy an'isa iretsy no tsy fantatra intsony na entin'inona na entin'inona. Mpitana fitaovam-piadiana sivy kamiao miampy ireo avy amin'ny hery manokana mandeha amin'ny fiara tsy mataho-dalan-dratsy no tazana teny amin'ny manodidina teny. Mihinan-kanina fotsiny no ataony rehefa maraina fa manohana sahady ho fiomanany ny tolakandro angaha!



Tsy an-tsain'ny tena mpitolona velively ny hanao herisetra


Misy fanaovana dinika mavitrika amin'ny fanehoan-kevitra izay eto amin'ny aterineto fitsapako hatrany ny zavatra hitranga ny ampitso sy ny tetiky ny mpanakorontana. Ankehitriny dia velona indray ny fampirisihana ny hitora-bato na hitoraka flesy, handoro kodiarana, sy hevitra hafa ao amin'io fanaovana dinika io ho fampiomanana valifaty mandrakariva. Rehefa mahita hafatra sahala amin'ireny aho dia miahiahy avy hatrany fa ho avy hanao ny ataony indray ny mpanakorontana ny zoma 22 janoary 2010, hanao tetika handravana ny tolona ampilaminana izay tsy mamaly hery ny fampiasan-kery na dia na dia iharan'ny fanenjehana aza. Amin'izay fotoana izay ihany koa dia mba manana rariny ahay ny miaramila ny handrava ny hetsika fa tsy ry zareo indray no manakorontana sahala amin'izay nitranga ny alakamisy 21 janoary 2010.


Rehefa misy hatrany ny sakoroka dia misy ireo andian-jatovo mikendry ny hanararaotra mihazakazaka mafy nefa mitetika handrava tsena, sady any avy hatrany ny lalan'izy ireny. Ny tena mpitolona kosa miala tsimoramora ihany raha miala fa tsy mihazakazaka velively, sady ny ampahany betsaka amin'ireo mpitolona ireo dia aoka hotsorina fa tsy hahavita hihazakazaka noho ny fahanterany sy ny fahalemeny (ny antitra sy ny vehivavy no tena maro an'isa). Tsy misy mamaly tora-bato ny fandroahana ataon'ireo zandary ireo. Miaiky ny herimpon'izy ireo aho rehefa nahita azy ireny manerana an'Anosy, ary fantatra avy hatrany izy rehetra rehefa mandeha eny, eny fa na dia tsy mitondra sorabaventy sy tsy mihogahoga akory aza ry zareo(namana nahita tsara ny zava-nitranga sady manana bolongana rahateo no nahafantarako fa nihira ireo olona teo anoloan'ny Carlton, tranga izay efa novinavinaiko hisy mihitsy tamin'io andron'ny alakamisy io). Koa iangaviana ianareo miketrika herisetra hampitsahatra izany fikasanareo izany fa tsy vahaolana mihitsy izany indrindra manoloana ny hery tsy mitovy.


Fanamarihana kely

Dia efa vita tokoa angaha ny tolon'ny tanora na tsy mifanaraka amin'ny revin'ny tanora izy ity fa tsy dia hitahita loatra izy ireo. Tsy ampy fanentanana ve sa leo politika sahady? Tokony hisaina kosa anefa izy ireo hoe nahoana moa ireo olon-dehibe izay retirety sy manakaiky ny retirety ny ankamaroany no tsy laitra fa mandeha mitolona hatrany na dia efa fantany izao ny miandry azy? Sao dia lasa mahatsiaro ny endrika ratsy niainana nandritra ny fanjanahantany izy ireo ka miezaka ny hampiverina araka izay tratry ny heriny amin'ny famerenana indray ny fahaleovantena? Fanairana mandrakariva ireo izay mahatsapa ho manana andraikitra manoloana ny zavamisy eto amin'ny firenena no ataoko. Miandry toe-javatra hafa ny olona sa dia efa voafehy tanteraka ny reska fitsikilovana ka tsy misy intsony ny afaka mandray ny andraikitra tandrify azy?



Jentilisa, Zoma 22 janoary  2010 amin'ny 00:00

Ny fandrika natao tamin ny tolona...

2010-01-20 @ 22:49 in Politika

Misy tohiny ny lohateny fa averiko tsara indray mandeha: "Ny fandrika natao tamin'ny tolona indray no mety hahatafavoaka azy!" Toa hafahafa ihany  ilay lohateny saingy taratra avy amin'ny zavatra notantaraina tamiko ny 20 janoary 2010 no nahatonga ahy hametraka io lohateny io. Tolona ataon'ny ankolafy telo no lazaiko eto fa tsy ny an'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana.


Fiantsoana ho eny an-dalambe

Nanomboka tamin'ny Asabotsy teo dia eny Anosy indray no hanatanterahan'ny ankolafy telo ny fihetsiketsehana izay ataony. Azo lazaina fa tsara fanombohana sady nahagaga indrindra io fotoana io satria tsy noravana tamin'ny alalan'ny baomba mandatsa-dranomaso io fivoriana an-dalambe io. Ny niantsoana ny olona moa dia ny hoe hametraka ny mpikambana ao amin'ny parlemanta etsy Anosy. Fomba nenti-niantso io fa efa nazavazava ihany fa eny no hamoriana ny olona rehefa tsy ho eny Ankorondrano anatin'ny kianjan'ny ara-dalàna intsony. Tsy hisy velively izany fametrahana mpikambana izany fa fiomanana ny fahatongavan'ny mpanelanelana avy any ivelany amin'ity herinandro ity no tanjona voalohany. Malalaka sady be toerana azo ivoriana eny ka azo atao tsara ny mifindrafindra.


Fisovohan'ny mpanakorontana

Hatramin'ny andron'ny Asabotsy io indrindra dia nanomboka ny nataony ihany koa ny mpanakorontana izay mazava loatra fa manaraka ny baiko hanapotehana amin'ny fomba rehetra ny tolona sy ny fanasoketana azy. Azo heverina ho olona tsy voafehy ihany koa izy ireo saingy ny zavatra efa hitako no tsy dia maharesy lahatra ahy ka milaza fa manana "atidoha" manakarama mihitsy izy ireo. Tsikaritra voalohany, hariva amin'ny enina hariva, izany hoe efa lasa adiny iray raha haingana indrindra ny mpitolona teny vao nanomboka ny fanendahana vahiny Eoropeana sy ny fitorahana fiara nataon-dry zalahy ireo. Efa taratara angaha ny baiko sy ny fanangonana an-dry zalahy ka izay vao nanaomboka ny "action" ry zalahy.

Ny andro manaraka kosa, ny alatsinainy io, dia efa tonga alohaloha sy nifangaroharo tamin'ny tena mpitolona amin'izay ry zalahy ka dia manana fotoana hanasoketana tsara ny mpitolona saingy mbola vitsy moa ka tsy voamarika loatra. Nahavariana tamin'io alatsinainy io fa na dia efa feno miaramila aza ny toerana nivoriana farany dia mbola afa-nanao ny fihetsiketsehana sy ny kabary teo ihany ny mpitarika rehefa tonga ny tolakandro. Nitombo avo roa heny noho ny Asabotsy ny hamaroan'ny mpitandro ny filaminana saingy tsy nahoan'ny olona izany. Nihanitsiry ny fanantenan'ny olona fa misy zavatra mitranga matoa tsy sahy nanapoka baomba mandatsa-dranomaso ihany ny mpitandro ny filaminana teo.

Ny andro fahatelo, mpitandro ny filaminana 15 kamiao be izao miampy ireo anaty fiara tsy mataho-dalana sy fiara avy amin'ny sampana manokana (FIS) no nanemitra ny toerana. Nihabetsaka ny olona nandrangitra azy ireo amin'ny fitaovam-piadiana eny ampelatanany indrindra fa ny mpampiasa lalana noho ny fibahambahanan-dry zareo na fiedinedin'izy ireo eny afovoan'arabe. Hay efa vonona avokoa ny ekipa sy ny teknikam-pandravana ny tolona. Tany amin'ny toerana nivorivorian'ny vehivavy no nandefasan-dry zalahy ny baomba mandatsa-dranomaso iray dia raikitra amin'izay ny famotehana ny fananana iombonana teny amin'ny manodidina ka ny nivandravandra voalohany indrindra dia ny fandravana ireo sezavato teo amin'ny zaridainan'i Mahamasina. Tetika efa vita omana ireny ary olona efa voaomana no nanao azy. Ny fahadisoana nataon'ny mpitolona dia ny tsy nandrara ireo olona ireo fa namela fotsiny amin'izao. Io sy ny toratora-bato natao no nahafahan'ny mpitandro ny filaminana nandrava amin'izay ny tolona. Ny tetika ambadik'izay dia ny tsy hampazoto intsony ireo izay mbola mpankeny Anosy-mahamasina. Manginy fotsiny moa ny fahitana fa tena niova mihitsy ireo karazan'olona mandrafitra ny ankamaroan'ny mpitolona fa tsy mitovitovy intsony tamin'izay teny amin'ny kiaanjan'ny ara-dalàna Ankorondrano.


By the river on Babylone

Noheverina amin'izay fa ho lao tsy hazoto intsony ny mpitolona ny andro fahaefatra, izany hoe olona vitsivitsy tsy manaiky lembenana nefa tsy ho afa-maneho ny heviny ankahalalahana intsony no sisa ho tazana eny amin'ny manodidina an'Anosy sy Mahamasina. Nahomby tamin'ny ampahany ihany izany tetika izany fa nisy olona nanana aingam-panahy tamin'ireo tsy nanaiky lembenana ireo. Lasa nihirahira indray ny olona ka ny hiram-pivavahana (Be indray no tsy hahazaka ny filazana izany) sy ny hiram-pitiavan-tanindrazana ary ny hiram-pampihavanana toy ny "Mifankativa ihany" no nanakoako tamin'iny toerana iny. Tsaroako ilay hira malaza nataon'ny tarika Boney M fahiny, izay notsilovina avy amin'ny Fitarainan'ny Jiosy natao sesintany tany Babylona voasoratra ao amin'ny baiboly (Jeremia), rehefa reko tamin'ny Radio Fahazavana ny akony. Tsy miteny ny hamaroan'ny olona mihitsy aho eto fa ny fahasahiana nataon'izy ireo kosa. Tsy voatery hoe niara- nivorivory  nifanizina tamin'ny toerana iray ireo mpihira fa niparitaka teny rehetra teny. Tsy nisy intsony ny fihantsiana ny miaramila nefa tafala tanteraka ihany koa ny tahotra ireo mampideradera fitaovam-piadiana. Nitsimoka tsikelikely tokoa ilay hoe ny Hery tsy mahaleo ny fanahy. Lasa nihatakataka indray ireo mpitandro ny filaminana efa nanatomotra dia nanatomotra teo, tsy hitany izay tokony atao. Izany no tolona ampilaminana !

Raha nandinika izany rehetra izany aho dia tonga ho azy tamin'ny fieritreretana fa hifindra lasy manoloana ny Carlton amin'izay ny mpitolona "hampiseho" amin'ny vahiny ny heviny. Efa hain'ny olona ny mifindrafindra toerana ka tsy hananosarotra ho azy ireo ny hankeny. Hay moa ka nisy antso nataon'ny mpihaino ny Radio Fahazavana iray nanao izay fanentanana izay ihany koa. Be hoaho ny mitovitovy sainina ny olona ka azo inoana fa mahafantatra avy hatrany ny tokony hataony ny tsirairay. Dia samy hanara-baovao isika hahafantatra izay mitranga amin'ity tontolo andron'ny Alakamisy 21 janoary ity.


Jentilisa, alakamisy 21 janoary 2010 amin'ny 00:55


Maharesaka 19 janoary 2010

2010-01-18 @ 21:47 in Ankapobeny

Fintim-baovao sy fanehoan-kevitra manoloana ny lohahevitra maro mafana amin'izao fotoana izao indray no ambarako aloha. Somary miainga amin'ny loharano nanoratako tamin'ny aterineto voalohany indrindra indray aho izao; saingy tsy fampitana izay voalazan'ny Karajia na Kidaona maraina intsony no hambarako fa ny hevitro sy ny fomba fijeriko amin'ny ankapobeny.


Vola baoritra hoe?

Olana diso toerana amiko ny fanasongadinana io zavatra iray io na dia mety hisy aza ny fahamarinany. Ny fitiavan-tanindrazana no mametrka mba tsy hamotehana ny toe-karena malagasy efa mareforefo amin'izao fotoana izao. Mariky ny Fiandrianam-pirenena Malagasy ny vola malagasy ka tsy tsara ny manasoketa azy na dia hoe misy aza ny fanapariahana amin'ny alalan'ny banky, sampan-draharaha mikirakira vola ireo vola lazaina ho "sandoka tena izy". 


Fitakiana fanondrotan-karama

Mifanindran-dalana amin'ny etsy ambony ihany. Tsy mety ihany koa ny fitakiana fanondrotan-karana izay misy manao amin'izao fotoana izao. Firenena nalatsaka tanaty krizy ve dia mbola itadiavana fanondrotan-karana ihany? Fahadisoan-kevitra ao amin'ny mpitaky azy angaha ny fiheverana fa tsy miova mihitsy io sandam-bola io no mahatonga azy ireo hanao ity fitakiana diso andro ity araka ny fijeriko. Ny fitakiana sahala amin'itonymihitsy no mahatonga ny famoronana vola izay maromiahiahy amin'izao fotoana izao. Vitan'ny mifehy ny fahefana amin'izao ny mampisondrotra ny karana fa tsy miantoka ny sandany kosa izy avy eo. Samia mieritreritra! mila fanapahan-kevitra henjana ny sahala amin'itony.


Fidiran'ny SADC eto Madagasikara?

Soso-kevitra nataona filoha Afrikana iray io fa tsy fanapahan-kevitra tsy akory. Ny haino aman-jery manana ny tombotsoany amin'izany hevitra lazaiko hoe taingina izany no tena mivoy azy fatratra. Tsy tsara velively io hevitra io satria manjary mampiray indray ny tafika efa miroanahana amin'izao fotoana izao raha jerena. Nosy ny Firenena ka manana foto-pisainana hafahafa kokoa noho ireo firenena manana sisintany mivantana amina firenen-kafa. Izay firenena mandefa voalohany amin'ny fomba ofisialy eo no lasa hotoherin'ny tafika tafavondrona. Tsy vahaolana noho izany amin'izao fotoana izao izany mandefa tafika eto Madagasikara izany. Aleo ny eto ihany no hahatsapa tena fa tsy mila vonovonoina fahatany ny olona.


Monja Roindefo

Tahaka ny hoe ho avy hanatevin-daharana ny Ankolafy Madagasikara ny Praiminisitry ny FAT teo aloha. Tsara dia tsara anefa ny mihaino tsara izay nolazaina. Andrasana ny hahatongavany, Hoy i Manandafy. Tsy midika velively izany fa efa tafiditra anaty hetsika ihany koa ranamana, fa fanantenana sy firariana ny an'ilay niteny azy. Nahavory olona izy tany Toliary ka noarahabainy tamin'izany i Monja Roindefo. Hatreo ny tena azo antoka fa ny ankoatra izay dia fanombanana diso fipetraka avokoa.


Fandisoam-baovao

Tena misy dia misy tokoa amin'ny mpanao gazety no tena kinga dia kinga tokoa amin'ny fandisoam-baovao. Tsy voatery hoe diso ny zavatra ambarany fa ny fomba filazany azy no mety haharoboka ny olona hieritreritra zavatra diso sy mifanohitra tanteraka tamin'izay nambara marina. Tao amin'ny TVM ny alahady halina, raha nanambara ny mikasika ny fotoam-pivavahana notontosaina tao Antsahamanitra ry zareo dia nambarany fa nandritra ny toriteny dia niompana amin'ny hoe: "Miposaka ny fanantenana vaovao" ny ventin-kevitra lehibe. Misy teny toa io tokoa nataon'ny mpitoriteny saingy tsy araka izay nitateran'ny mpanao gazety azy velively. Raha io fotsiny no henoina na vakiana dia sahala amin'ny manao ankolaka ny mpitoriteny hoe ny FAT no fanantenana vaovao.

Tahaka izao manaraka izao ny foto-kevitra fampidirana nataon'ny mpitoriteny ho tahiry ho an'ny taranaka izay tena nambara tokoa raha sanatria very ny tahirim-peo: "Hitory ny Lalàm-panafahana vaovao na fampanantenana vaovao satria kivy sy ketraka ary miraviravy tanana ny vahoakan'Andriamanitra." Ny asa hatao dia ny hanambara ny hafatry ny Tompo, raha nanana andraikitra telo i Jesoa dia ny maha-Mpanjaka Azy, ny maha-Mpisoronabe Azy ary ny maha-Mpaminany Azy. Jesoa tenany no efa nilaza fa raha misy mino Azy dia ny asa ataoKo (Jesoa) no ataony koa, noho izany manao ny asa maha-mpaminany azy ny fiangonana. Tsy tokony hihoatra amin'izay ambara izay tandrify ho an'izay kivy sy very fanantenana ny teny rehefa manambara izay nolazain'Andriamanitra. Rehefa tsy miteny ny fiangonana dia feo hafa tsy avy amin'Andriamanitra no ho tonga any an-tsofin'ny olona.


Hatreo ihany aloha fa dia afaka mametraka ny VETO ny mpamaky. Na dia noadinoina aza ny maha-andron'i Martin Luther King ity daty eto ambany ity any Etazonia indrindra indrindra.




Jentilisa, 18 janoary 2010 amin'ny 23:52

Fivavahana sy Politika

2010-01-14 @ 22:20 in Finoana

Andro vitsivitsy tsy nanoratana sahala amin'ny hoe efa be dia be sahady ny zava-nitranga. Izay tsy dia misy mpilaza loatra angaha no andeha tantaraina, mba hifameno amin'ny voasoratry ny hafa ka hahalalana bebe kokoa ny zava-misy eto Antananarivo amin'izao fotoana izao. Efa nandalo ny andiany faharoa tamin'ny hetsiky ny mpitondra fivavahana, tamin'ny Asabotsy lasa teo. Hita ho hetsika tsy niomanan'ny mpifehy ny fahefana amin'izao fotoana izao izy io matoa somary maherihery ny teny ataon'ny tsy manakasitraka ity hetsika ity sady mpanohana ny fehefana misy rahateo. Ny nahavariana moa dia ny setriny nataon'ny sasany tamin'ny alalan'ny famelabelaran-kevitra. Sady mitonona ho avy amin'ny faritany enina, no mitonona ho avy eny amin'ny Anjerimanontolo, nefa dia mitonona ho avy eny Ambany tanàna; izay hoe tiany ho voafoaka avokoa rehefa tanora rehetra. Dia mametraka fampitandremana ry zareo... izany hoe famaizana tsy amin'ny alalan'ny fisamborana ataon'ny manam-pahefana no tiany atao fa amin'ny alalan'ny fandefasana jiolahimboto hisotasota, hanendaka na hamono mihitsy aza. Te-hametraka izy fa tsy misy izay tsy vitan'ny hery ary ny tiany ampihorohoroana dia ny fanahy.

Eto aho dia mahatsiaro tampoka ny nahatafatsangana ny FFKM. Tsy nijoro ho fampiombonana ny fiangonana ihany io Fiombonana io ka hoe resa-pivavahana ihany no ifampidinihana ao fa mety hisandrahaka amin'ny lafim-piainana maro; ka tsy ambaka amin'izany ny Sehatra Fanaraha-maso ny fiainam-pirenena. Asa aloha na politika no resahina amin'izany sehatra izany na inona fa ny fantatro kosa dia karazana tsindrilentam-pahefana izy io tsy hanjakazakan'ny mpitondra tamin'izany fotoana izany (1980) izay tsy nanaiky ny hisian'ny antoko ivelan'ny foto-kevitra revolisionera na ivelan'ny Mandatehezana Miaro ny Tolompiavotana na FNDR (Front National de la Revolition fa tsy ilay Front National Frantsay tsy akory) . Aza atao mahagaga sady ho fampahatsiahiana izay efa nandalo vanim-potoana izany raha saiky nanana anarana fanampiny avokoa ny Antoko politika nijoro tamin'izany fotoana izany hanekena ny fisiany eo anatrehan'ny fanjakana ankoatra ny antoko Arema izay efa mitonona ny amin'ny maha-revolisionera azy ihany sy ny Monima nilaza azy ho Ka Mioviombio (tsy mivilivily). Ny MFM lasa niampy MFT tsy tadidiko intsony ny fanalavana azy na Mpitolona ho amin'ny fampanjakana ny Tolompiavotana (fa tsy Tetezamita velively kos aloha!) na inona. Ny AKFM nisy tohiny hoe KDRSM tsy ahiko intsony ihany koa ny tohiny fa angamba (angamba hoy aho mamerina fa iangaviana izay mahatadidy hametraka azy) Komity Demokratin'ny Revolisiona Sosialista Malagasy), ny VITM-KMTA na Vonjy iray tsy mivaky - Komity manohana ny Tolompiavotana. Noho ny nahasahian'ny FFKM nilaza ny fahasahiranana manjò ny olona sy ny faneriterena isan-karazany dia tsy nekena ara-panjakana, araka ny fitadidiako azy io Fiombonana ity saingy nandroso ihany. Noho ny Hery nananan'ny FFKM sahady dia tsy levon'ny Filoha nitondra tamin'izany fotoana izany ny fijoroany ka nahatonga azy tia hanasongadina ireo fiangonana na fikambanam-piavahana niorina taty aoriana. Nisy aza moa ny fifanarahana vitany tamin'ny Mpitarika ny Revolisiona Lybiana hanitarana ny ambaindain'ny finoana Islamo teto Madagasikara saingy nitsaha-kevitra io fa efa tafaomana tamin'izany ny fiangonana.

Nanomboka tamin'ny taona 1972 no nijoro ho mpanelanelana mandrakariva teo amin'ny sehatry ny fiainam-pirenena ny mpitondra fiangonana sy ny mpitondra fivavahana, ary nantsoina hatrany hametraka ny dinidinika sy tapatapak'ahitra rehefa misy olana eto amin'ny Firenena. Nijoro ho aron'ny malemy eo anatrehan'ny matanjaka sy mpihoa-pahefana, nohenointeny satria mahasahy milaza izay tsy sahin'ny olo-tsotra lazaina, noho ny tahotra ho tratran'ny antsojay amin'ny filazana azy ho mpanoha-riana, nefa tsy nitady seza velively ankoatra ireo efa fantatra ho mpanao politika mazava loatra. Tsy mahagaga raha nanankinana ny fitarihana Fihaonambem-pirenena sy ny fikaonandoham-pirenena tamin'ny 1990-1992. Dia toy izany ihany koa tamin'ny taona 2009, izay notarihan'ny mpitondra fiangonana efa-dahy tao amin'ny FFKM manokana, ary na dia ny Fiaraha-monina iraisam-pirenena aza dia nanankina izany. Nisy mizàna nitongilana be anefa tao anatiny ary hita fa lalana iray nandravana ny Fiombonana no nataon'ny sasany. Tsy ny Fiombonana ihany anefa no nokendrena fa tiana nopotehina tao ihany koa ny Fahefana sy Hery ara-panahy nananany hahasahy hiatrika sy hanambara amin'ny fahefana ara-politika ny tsy mety nefa mitranga eto amin'ny firenena. Tao ho ao no nitranga indray ny ezaka na hetsika hamerenan-kasina ny mpitondra fivavahana hijoro ho mpanelanelana indray eto amin'ny firenena, ka mba tsy voatery ho ny vahiny any ivelany no handamina ny tsy fetezan-javatra misy eto Madagasikara na hiampita Riaka vao hahavaha olana. Koa heloka ho an'ireo mpitondra fivavahana ireo ve raha miezaka hamerina ny hasiny izay izy ireo? 

Eto dia tsy azo adinoina ny fahalasanan'ny Kardinaly Armand Gaetan Razafindratandra, izay mpitari-dalana tamin'ny fananganana indrindra ny FFKM, sy saiky hanatontosa ny dingana famerenan-kasina ny mpitondra fivavahana izany amin'ny faha-23 janoary 2010 ho avy izao, izany hoe ao anatin'ny Herinandro Fiaraha-mivavaka manomboka ny 18 janoary isan-taona io, saingy hafa moa ny zava-misy ankehitriny tamin'izao nahalasanany izao. Mino dia mino aho fa io Herinandro Fiaraha-mivavaka fanao isan-taona io no "action" tian'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana hahatongavana mba hanjaka ao ny vavaka ho an'ny firenena, saingy tombatombana ihany ny ahy izay... Ny iray faharoa eritreretiko moa dia tsy mitombina loatra satria tsy fanaon'ny FJKM loatra indrindra indrindra ny "excommuniation" (tsy haiko na mety io fanoratana io na tsia!) haneren'ny fiangonana tsirairay ny mpitondra tsy mendrika hanaiky ny fahadisoany; nefa dia mahagaga fa nosoratako ihany. Eto dia mahavariana hoe nanaraka ny Kardinaly ve ny asany? Mitondra teny fiaraha-miory amin'ny EKAR hatrany ny tena amin'izao nahalasanany izao. Lehilahy voky andro ihany izy koa mbola hohalahelovina fatratra indray ve?

Dia miitatra hatrany ny fanoratana ka dia mitohy ny fanazavana. Ny Tsikera mahazo ny mpitondra fivavahana moa dia ny famerimberenana mandrakariva hoe miditra amin'ny resaka politika (fanjakan'ny tany) nefa ny asany dia ny manambara ny fanjakan'ny lanitra. Anjaran'izay mitsikera ny mamaly raha tafiditra amin'ny resaka politika ny fampanjakana ny halatra (toy ny fitrandrahana bolabola na andramena), tafiditra anatin'ny politika ve izany ny famotehana ny asan'ny sarambambem-bahoaka, tafiditra anatin'ny politikany sa tsia ny fandanindaniam-poana amin'ny fifaninanana mividy fiara raitra sy manao fety hihinanan-kanina mandrakariva? Tsy hay intsony na dia lasa lavitra loatra sain'ny Minisitry ny Fifandraisan-davitra sy teknolojia vaovao avy amin'ny FAT raha teny hoe "miara-miombon'antoka" no tokony nolazainy fa "Miara-miombon'heloka" no voateniny voalohany vao nahitsiny. Ny Mpamaky Baiboly dia tokony hahalala fa ny mpaminany ao dia matetika ny fihetsiky ny mpitondra hatrany no tsikerainy voalohany, vao manaraka koa ny fihetsiky ny sarambambem-bahoaka. Koa raha mitanisa ny tsy mety ataon'ny maro izy ka tafiditra ao sy lohalaharana amin'izany ny ataon'ny mpifehy ny fahefana dia manao ny asa maha-mpaminany araka izay fahita ao amin'ny Baiboly indrindra koa ireo mpitondra fivavahana ireo.

Fa ny mahavariana ny mpitsikera ny fitenitenenan'ny mpitondra fivavahana ny tsy mety ataon'ny rehetra, ka ao ihany koa ny ataon'ny mpitondra isan-tokony, eo amin'ny seha-piaraha-monina sy ny fiainam-pirenena tsy hanafangaro ny fivavahana amin'ny politika dia ny tsy fahitan'izy ireo ny fanafangaroan'ny mpifehy ny fahefana ara-politika ny fampidirana anaty kabary politika ny tenim-pivavahana sy anarana ivavahana. Moa ve tsy betsaka ireo mpitondra politika no maka andinin-tsoratra avy amin'ny bokim-pivavahana na manonona anarana ivavahan'ny olona? Vao tsy efa no nanao kabary misy izany ny filohan'ny FAT ary dia nanao kabary nifandraika ami'nizany ihany koa ny Praiminisitra FAT notendrena farany teo. Koa izy io moa resaka tapak'ahitra sy andribe amin'ny maso koa tsy azoko izay anton'ny tsikera ifampidiran'ny politika sy ny fivavahana. Miandry fanazavana avy amin'ny maro angaha ny tena hampahazva kokoa ity resaka ity.

Farany, misy ahiana mafy angaha ny mpitondra na te-hampiseho ny tanjany ka fiara 4x4 telo sy kamiao telo samy hipoka mpitandro ny filaminana sy mitana fitaovam-piadiana no atao mitomandavana mivezivezy manerana an'Antananarivo tao ho ao izay. Nisy moa ny nihevitra fa ny anton'ny fisavana ny tranon'ny filoha Ravalomanana dia ny fanahiana fandrao manao fanahy iniana tonga eto Madagasikara handevina ny Kardinaly ity filoha nitondra an'i Madagasikara ity ka alefa aloha ny ramatahora hikosehana tsikelieky ihany koa ny lazany.


Jentilisa, 15 janoary 2010 amin'ny 00:24



Herimpanahy vaovao

2010-01-08 @ 23:06 in Ankapobeny

Ny hery tsy mahaleo ny fanahy, hoy ny fiteny malagasy iray izay. Mbola ekeko izany ary tiako hanjaka hatrany. Fifandanjan-kery no nisy teto tamin'ny herintaona - Raha misy tokoa liana amin'ny jery todika dia misy lahatsoratra telo mifampitohy mampahatsiahy antsika izay nitranga teto Madagasikara nandritra ny taona 2009 ao amin'ny Global Voices teny Malagasy. Ny fizarana voalohany janoary ka hatramin'ny Aprily dia nosoratan'i Lova Rakotomalala, ny fizarana faharoa manomboka ny volana mey ka hatramin'ny volana novambra sy ny fizarana fahatelo mitantara ny volana desambra kosa dia samy nosoratan'i Mialy Andriamananjara avokoa. Marihina fa lahatsoratra amin'ny teny anglisy ho hitan'ny Besinimaro ireo fa nezahina araka izay tratra kosa ny nandika azy ho amin'ny fitenindrazana. Tsara ihany koa ny mametraka azy ho tahiry - Aza atao mahagaga raha hita avokoa rehefa mety ho karazana hadalana rehetra. Tondroiko amin'izany avokoa isika rehetra, ary iniako tsy misy anavahana. Nankinina tamin'ny hery avokoa manko ny zava-drehetra fa natao ambin-javatra ny fanahy. Tsy mahagaga raha tsy mandeha amin'izay laoniny aloha ny fiainana eto Madagasikara.

Nisy ny fihetsika niniana natao hamandrihana ny mpitondra dia nahavoa tokoa ny fandrika. Nakatona ny fahitalavitra VIVA, nitaky ny hamohana azy  ny tompony sady Ben'ny tanànan'ny renivohitra tamin'izany fotoana izany fa avonavom-bava no setriny : "Tsapao aloha ny herinareo vao mitsapa ny ahy!" Nihevitra izy tsinona fa any aminy ny hery ka tsy misy afaka mifampitana aminy. Fihetsika tsy voahevitra niteraka fahatezerana tamin'ny maro, eny fa na dia tamin'ny mpanohana azy aza. Nampiakatra ny hafanam-pon'ireo manohitra azy izany ka nentina nahavoriana olona teny amin'ny kianjan'Ambohijatovo. Nahazo hery ireo ka tafiditra tsy nisy fisakanana ny kianjan'ny 13 mey satria maro ihany ireo mpanaraka azy tsinona. Hery lehibe ho azy ireo izany ary karazana fandresena sahady.

Voatery niverina haingana teto an-tanindrazana ny filoha izay tokony ho nanatrika ny fivorian'ny mpikambana tao amin'ny SADC. Nomanina ny mpanohana azy tamin'ny faritra manodidina ny renivohitra hanao fitsenana makotroka ho azy, hanehoana fa maro mpanaraka ihany koa izy. Maro tokoa ny nanofahofa azy teny an-dalana ary tsy latsa-danja tamin'ny hamaroan'ny olona vao nirotsaka teny amin'ny kianjan'ny 13 mey ny omalin'iny. Raha ny isan'ny olona fotsiny no nolazaina ho hery dia tsy misy ny afa-mitono-tena ho manana ny maro an'isa. Saingy nisy teny an-tsefantsefan'ireo olona nitsena ny filoha ireo no tsy nahazaka sahady ny fanehoan-kevitry ny hafa manana ny safidiny... Nanana fomba fisaina nisetrasetra izy ireo ary nihantsy ady tamin'ny vahoaka milamina mihitsy. Te-hifampitsapa hery tamin'ny mpanohana ny filoha sahady izy ireo ka nanao izay nibahanana ny lalana tetsy amin'ny CENAM Andavamamba. Notorahiny ireo tsy nitovy hevitra taminy ary nopotehiny ny tetezana fiampitàn'ny olona maomaorina. Efa nanana toe-tsaina haneho ny heriny amin'ny alalan'ny sandry sy izay azony natao ho fitaovam-piadiana izy ireo.

Ny ampitson'iny, faratampony tamin'ny fahamaroan'ny olona indrindra ny famorian'olona nataon'ny Ben'ny tanàna. Nikatona noho ny fanapahan-kevitry ny ambonimbony ao aminy ny sekoly katolika rehetra teto an-drenivohitra. Nampiseho ny heriny amin'izay ry zareo, tsy nanana endrika na fihetsika nampatahotra mihitsy ny mpitandro ny filaminana hatreny Anosy, na teny Anosipatrana hatreny Ankorondrano sy Tanjombato. Nitoratora-bato ny miaramila ny mpitolona fa tsy namaly, tsy nahazo baiko tsinona, "nandositra" tao amin'ny Radiom-pirenena ry zareo. Niditra an-tsehatra tao ihany ny Be sandry ary dia namotika sy nandrava ary nangalatra ny fitaovana tao, mbola nisy andia-miaramila tamina kamiao tao fa efa nirehitra ny trano roa tonta (RNM sy TVM) vao niala teo  ireo miaramila nahazo iraka hiambina. An'ny mpitolona tanteraka ny hery teo ka dia noravaravainy avokoa ny fananan'ny filoha rehetra. Herim-pandravana izany. Efa nisy moa ny mpitondra amin'izao fotoana izao nahateny fa lehilahy (ny filoha) raha tsy lasa adala amin'izay hanjò azy... Kanjo mbola tsy lasa adala ihany ilay filoha tamin'izany fotoana.

Niova tanteraka ny toe-draharaha ny ampitson'iny, nihevitra ny mpitolona fa tsy ho zakan'ny filoha ny nihatra taminy ka hametra-pialana izy vokatr'izay saingy diso ny kajikajy nataony. Teo ihany koa dia nihamaro ireo olona diso fanantenana tamin'ny nataon'ilay mpitari-tolona ka nanomboka nihemotra tsy hanaraka azy intsony. Nivalaketraka indray ny mpanohitra fa tsy hita izay hanohizana ny tolona. Nomena fotoana handosirana ny mpitarika saingy tsy nanao izany fa niditra tamin'ny dingana manaraka hanohizany ny tolona. Nivadibadika teny ny hoe hakana minisitera nefa tsy mbola voatendry ny ho amin'izany toerana izany. Ny Sabotsy 31 janoary 2009 nanaraka ilay alatsinainy matroka dia nisy andiana komandô nandrava ny sehatra teny an-kianjan'ny 13 mey fa tsy nikitika olona kosa. Manao ramatahora fotsiny ireny, hoy ny mpanao gazety nanentana sy avo vava, satria "tsy hitifitra mihitsy" (hay fantany izany?)... hoy ny voasoratro ho tahiry tamin'izany fotoana izany. Niverina tany amin'ny filoha indray ny hery saingy tsy tafaverina tanteraka izany. Dia nisy ny 7 febroary avy eo lasa nametraka fa voafehin'ny filoha tamin'ny ankapobeny ny hery. Mbola fandrika ihany koa anefa iny fotoana iray iny.

Na inona na inona nataon'ny mpanohitra tsy tena nahombiazana izany, ary dia nanomboka ny fandravana ny hetsika teny amin'ny kianjan'ny 13 mey. Tsy azo nandehanana mihitsy ny toerana. Mafy ny asan'ny mpitandro ny filaminana ka nahahendratrendratra azy ireo izany. Andro Sabotsy, andro farany noheverin'ny filoha sy ny mpanara-dia azy ho faran'ny fanakanana ny hetsika teny amin'ny kianjan'ny 13 mey no nivadika amin'izay ny miaramila tamina toby iray. Nioko tsy hanaraka ny baiko intsony izy ireo, sady efa voafehiny rahateo ny fitehirizam-pitaovam-piadiana. Nivadika tsikelikely indray ny nahazo hery nanomboka hatreo ka nahazoan'ny Ben'ny tanàna ny fahefana hitondra ny firenena. Hery no nahazoana ny fahefana. Na dia niezaka ny nitolona am-pilaminana aza ny mpandala ny ara-dalàna sy ny mpanohana ny filoha Ravalomanana dia toy ny tsy nahombiazana mihitsy, satria sady tsy any aminy ny hery no be mpitsikilo sy mpandrava tolona amin'ny fivoahana ny kianja tsy voaaro ao anatiny. Tsy misy olona tena manana tara-pahefana ihany koa ao anatin'ny mpitolona fa mitady hiankin-doha amin'ny hafa hitari-dalana azy ireo ny hetsika. Amin'ireny fotoana ireny hatrany anefa no voa mafy mandrakariva ny mpanohana ny filoha Ravalomanana.

Nandritra izany fotoana izany dia natao kilalao ny fanahy. Natomboka tamin'ny fotoam-pivavahana tao amin'ny kianja mitafon'i Mahamasina ny tolona ny alahady 11 janoary 2009. Samy nahafantatra ny rehetra nanatrika fa tsy ilay fotoam-pivavahana no tena zava-dehibe fa ny handrefesana kosa ny hamaroan'izay mety hanaraka ny tolona hatao. Niasa mafy ny sampana fampahalalam-baovaon'ny fitondrana frantsay tamin'ny fanaovana tatitra ny hetsika. Natao fitaovana politika hatrany ny fivavahana. Nandritra ny hetsika volomboasary dia noterena hifandamina sahady ny ankolafy mpifanandrina nefa ny iray mitaky ny hialan'ny filoha amin'ny toerany aloha vao hiditra amin'ny fifampidinihana, ny ankilany kosa tsy mieritreritra ny hiala mihitsy. Notondroina ho mpanelanelana avy hatrany ny mpitondra fiangonana efa-dahy tao amin'ny FFKM izay notarihin'ny Arseveka OMAR indrindra tamin'iny taona iny. Hay moa tamin'ny mpanelanelana voatondro sy ny mpifampidinika efa nisy nanana tanjona hafa dia hafa ihany koa. Tonga ny 17 marsa 2009 fa nisy nanainga vozon'akanjo tamina mpitondra fiangonana no sady anisan'ny mpanelanelana ny miaramila. Tsy nampihetsi-bolomaso ny solontenan'ny Katolika izay tompon-trano anefa izany fihetsika tsy voahevitra izany. Nanomboka hatreo no karazany rava ny FFKM, ary nohosihosena ny hasin'ny mpitondra fivavahana. Nangina ny mpitondra fivavahana saingy tsy nahazaka ny fahanginana intsony volana vitsivitsy taty aoriana.

Na dia maro aza ny olona no mitsikera ny fanapahan-kevitry ny mpitondra fivavahana tsy hiditra amin'ny resaka politika dia tsy izany kosa no sainin'izy ireo. Mifototra amin'ny fahamarinana ny hetsika ataony. Izay no lazainy, nefa heveriko fa ny tanjona hafa tiany apetraka dia ny hamerenana indray ny hasin'ny mpitondra fivavahana eo amin'ny sehatry ny firenena. Mahafantatra tsara izy ireo fa tandindonin-dozan'ny ady an-trano, tahaka ny fitiavana hampifandrafiana ny samy mpivarotra amin'izao fotoana izao, ny firenena ka tsy afa-mijery fotsiny ny loza hanjo ny fireneny. Te-hijoro hitandro ny fandriampahalemana sy ny fihavanana izy ireo ka andraikitra lehibe miandry azy ireo ny fanakanana ny fampiasan-kery tsy hahavaha vetivety ny olana fa hampitombo ny ratram-po sy fifamonoana fotsiny. Tsy nampoizin'ny mpitondra ity fijoroana vaovao ity ka notadiaviny ny hisotasotana ny fiangonana ahitana ny tena maro an'isa amin'ireo mpitondra fivavahana ireo. Tsy atao mahagaga raha natao izay handrarana ny vaovao tao amin'ny radio FJKM, ary amin'izao fotoana izao ny fampidirana amponja ny tale sy ny mpanao gazety iray amin'ity radio FJKM ity ihany. Te-hampiditra amin'ny fifandanjan-kery tsy mitovy ny mpitondra firenena amin'izao fotoana izao... saingy tsy toy ny tolon'ny misalasala eo amin'ny fifikirana amin'ny tsy fampiasan-kery tazonin'ny tena mavitrika ao amin'ny kianjan'ny ara-dalàna sy ny te-hiditra amin'ny fampiasan-kery tsy ananana akory fa dia misetrasetra (na migafy ny tolona) fotsiny no ataony.

Izaho manokana dia tsy mankasitraka mihitsy ny idiran'ny sarambamben'ny olona amin'ny herisetra sy ny fampiasana fitaovam-piadiana saingy efa very toky ny amin'izay ho tohin'ny tolona. Mpiroaroa saina loatra manko ny mpitarika ary eo dia eo ihany koa ireo mpandrava avy ao anatin'ny tolona ka tsy mahagaga raha tsy mahita teti-panorona mahomby hanohizana ny tolona izy ireo. Efa nametraka aho fa efa vita kosa angamba izay ny anjaran'ny olo-tsotra fa anjaran'ny hafa mahatsapa ny andraikiny sy ny fananany hery voafehiny tsara manoloana ny fampiasan-kery no manohy azy. Velom-panantenana tampoka aho raha nahare fa mijoro ary milaza ny tsy hihemotra intsony amin'ny tolona sivika ataony ny mpitondra fivavahana. Manana tara-pahefana izy ireo, sarotra ny idiran'ny mpitsikilo (misy ao amin'ny magro) amin'ny fifandaminana anatiny, ary tsy azo tsinontsinoavina ny fifampifehezana eo aminy ka tsy mahagaga raha velona indray ny Herimpanahy vaovao handrava ny fanahin'ny hery mpitondra fandravana. Koa aza gaga raha ho amina toeran-kafa indray no ho toera-mahazatran'ireo tsy nitsahatra nitolona teny amin'ny kianjan'ny ara-dalàna nandritra iny taona nivalona iny. Tsikaritra ho tsy mitsahatra ny mamotika ny fahazotoan'ny olona manko ny maro amin'ny mpitarika eny. Teny tsy misorona ny ahy. Efa manana fironana hanaraka kokoa ireo mpitondra fivavahana ireto ny tena... noho ny fandresen-dahatra ato amiko hoe raha mbola afaka mifampitana amin'ny hery hatrany ny fanahy dia te-hino kokoa ny fahamarinan'ny ohabolana malagasy izay tsy hotononiko intsony aho.


jentilisa, faha-9 janoary(1) amin'ny 01:09

Mihamafana mihamafana...

2010-01-05 @ 23:12 in Andavanandro

Tontosa iny ny fetin'ny faran'ny taona fanaon'ny daholobe fa ny asaramanitry ny mpitondra fanjakana sy ny fikambanana kosa mbola ao anatiny tsara mandritra ity volana janoary ity. Ny teto Antananarivo manokana dia niavaka tokoa izany fety izany. Tsy niavaka ho reharehan'ny renivohitr'i Madagasikara fa ho henatra ho azy kosa.


Asaramaimbo

Tsorina fa tsy Asaramanitra no niainana fa Asaramaimbo ara-bakinteny. Tsy nahate-hivoaka velively ny faran'ny taona fa mampihidy an-trano. Mpandalo ny afovoan-tananan'Antananarivo ny tena matoa mahasahy miteny izany. Mantsina tanteraka ny lalana andehananao miainga hatreny ambanin'ny zaridainan'Antaninarenina, Ambatomena, Tsaralalàna, Analakely (efa tsy ilay anoloan'ny lazaina ho metro intsony no ambarako eto fa Analakely amin'ny ankapobeny), Soarano... asa tsy fantatro intsony hoe hatraiza fa ireo ny afovoan-tanàna lazaiko aloha. Ny tena maharikoriko dia ny toerana somary mihataka ampolony metatra ny toeram-pidiovana no tena mantsina sy ifendrahan'ny loton'olombelona. Tsy ilay hoe tsy miditra any izahay fa eto ambaravarana ihany ity dia alefanay (miala tsiny indrindra raha mikaly ianao mamaky ny teny) fa hoe tsy todinay iny folo metatra iny fa mavesatra loatra ny rano entinay moa izahay rahateo kamo.

Raha tarafina dia avandravandrany fa tsy manana toeram-pidiovana izy any amin'ny tanàna misy azy any ka ampitoviana amin'ny any amin'ny niavian'ny tena ihany ny hanaovana an'Antananarivo afovoan-tanàna tokony ho fitaratra tsara ho an'ny Malagasy eo imason'ny vahiny. Tsy hoe fihatsarambelatsihy izany fa na aiza na aiza tokony hisy hatrany ny toerana tokony ho reharehan'ny mponina ka mendrika izany indrindra ny afovoan-tanàna izay aetrin'ireto tsy tamàna an-tranony ka mampiely ny malotony manerana ny tanàna ireto. Mba azonao vinaniana ve izany hoe anoloana sy anilan'ny Honey, Blanche Neige, Gastro Pizza no tena anaovan'ireto tsy mifaditrovana ireto ny hadalany? Tsy ho afa-miteny velively anefa ny tompon'ireo toeram-pisakafoanana sy fankafizana karazan-tsakafo izany raha tsy te-hahazo ny angaredon'ny "vahoaka madinika". Dia hoy ianao hoe aiza izany no hitsangatsangana? Aleo ny manana fiarakodia handehanana no hamaly fa tsy mahita valinteny loatra ankoatra ny toeram-pivavahana  na an-tokatrano izahay sarangan'ny antonony ihany.

Fa eto ampanoratana aho dia mahatsiahy ny vanim-potoanan'ny talohan'ny fanjanahantany izay novakiako tamin'ny boky tantara fahakely. Tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-19 tokoa anie dia tena Antananarivo iray manontolo mihitsy no mantsina satria eny amin'izay mahaporitra ihany no hanalana ny mavesatra. Efa nanomboka nisaritaka manko ny fanjakana tamn'izany fotoana izany ary efa nanomboka tsy voafehy intsony ny olona tamin'ny ankapobeny. Tsoriko fa raha namaky izany soratra izany aho tamin'ny voalohany dia kiriko sy tezitra satria nihevitra aho fa fanaratsiana ny Malagasy ihany ity nosoratana Malagasy  ity saingy niaiky ihany aho fa tena nisy izay tranga izay rehefa mijery ny ankehitriny aho. Izany hoe nihemotra 120 taona be izao ny Malagasy eto Antananarivo raha ny fahadiovana sy ny fikajiana toerana no heverina. Ny tena mampiaiky ahy moa dia ny fefy manamorona ny Lapan'ny tanàna an-dalam-panamboarana aza ve dia anaovana maloto toy izany? Tena maharikoriko. Soa aloha fa efa nitsahatsahatra kely izany ezaka fandotoana sy fanamaimboana an'Antananarivo izany saingy tsy midika izany hoe nifarana hatreo ny amin'izany.


Ny Genesisy (Jenezy) nahatonga ny loto sy ny fofona ary ny korontana ankehitriny

Tamin'ny andron-dRazanamasy Guy Willy no nandrenesako sy nahitako voalohany indrindra izany fandaminana ny tanànan'Antananarivo izany. Raha miresaka tanànan'Antananarivo anefa tamin'izany fotoana izany dia Analakely ihany no tena fantatry ny Besinimaro. Analakely izay nikorontana tanteraka isan-joma indrindra indrindra satria lasa toeram-pivarotana avokoa hatreny andohan'Analakely mandra-pahatonga ety amin'ny Garan'ny Soarano. Lazan'ny tanàna tamin'izany fotoana izany ny tsena saingy efa nahatsapa ny maro fa tsy lasa intsony ity savoritaka afovoan-tanàna ity. Samy nanana ny fampielezan-keviny ny antoko saingy izy aloha no nolanian'ny Besinimaro ka nanapahany hevitra fa foanana hatreo ny tsenan'Analakely. Nafindra tamin'ny toeran-kafa manodidina avokoa mpivarotra rehetra tamin'izany fotoana izany, ary nifanarahana tamin'ny Japoney fa tsy haverina eny intsony ny tsena. Ny volan'ny Japoney manko no nampiasaina hanatsarana ity toerana an'Antananarivo ity. Finaritra ery ny tena nijery ny hakanton'ny tanàna ka nanao hoe hay ve azo atao tahaka izao ity tanàna ity? Dia nokarakarain'ny Le Buffet du Jardin ihany koa ny zaridainan'Antaninarenina rehefa vitany ny fifanarahana tamin'ny Kaominina tamin'izany fotoana izany. Dia nireharehana mihitsy fa efa mitovy amin'ny zaridainan'ny Andafy amin'izay ity zaridaina ratsy endrika talohaloha ity.

Nifanindran-dalana tamin'izany ihany koa ny firoboroboan'ny orinasa afaka haba ka maro tamin'ireo mpivarotra no nihevitra fa ny any no hahazoam-bola kokoa. Vokany, nihavitsy sy nihafoana tsikelikely ny mpivarotra amoron-dalana ka nanamora ny asam-panamboarana ny tanàna izany. Tonga ny Ben'ny tanàna manaraka, nitohy hatrany ny fanadiovana sy ny fanatsarana na teo aza ny fifanandrinana mangina teo amin'ny fitondrana foibe sy ny mpitantana ny tanàna. Nisy ny hetsika teto amin'ny firenena saingy hita fa efa tafiditra tao anatin'ny mpitolona tsara izany fikajiana ny tanàna izany. Nahazo horakora-panoherana izany mbola mahasahisahy mivalandrano amin'ny rindrina izany ary ny ankizy mihitsy ny hanaraby anao. Mahatsiaro menatra ny olon-dehibe zatra ny lalan-dririnina amin'ny fanaony nandritra ny gaboraraka fahatanorany. Tamin'ny 2001 izany dia nanjaka kokoa teto Antananarivo ny mpikajy ny fahadiovana sy ny filaminana.

Nasiaka dia nasiaka tamin'ny fitandroana ny fahadiovana ny mpitantana ny tanàna nanomboka hatreo ka nanjary nifanenjika matetika ny mpivarotra amoron-dalana izay tsy nahazo avara-patana mihitsy nandritra ny fitondran'ny filoha teo aloha sy ny mpiasan'ny Kaominina isan'nadro fa ny hariva kosa dia misy ihany ny fiverenan'ny mpivarotra mameno ny amoron-dalana. Tena voatandro tokoa manko nandritra izany fotoana izany ny hoe an'ny mpandeha an-tongotra ny amoron-dalana fa tsy an'ny mpivarotra. Niova tokoa ny endriky ny tanàna fandalovako satria feno zaridaina izay nandalovana (izay indrisy potika avokoa amin'izao fotoana izao). Nisy ihany anefa ny sarangan'olona tsy faly ka nihevitra fa nanjaka ny jadona (satria tsy afa-nanao izay tiany natao ny olona!). Nivoaka izany fahatezerana izany nandritra ny fifidianana Ben'ny tanàna tamin'ny desambra 2007. Na dia nilefitra nandritra ny fampielezan-kevitra aza ny mpitantana notendrena vonjimaika tamin'ny toerany, namela ny mpivarotra amoron-dalana hibodo indray ny amoron-dalana indrindra fa nanaraka iny Isotry izay fandehanako niasa tamin'izany fotoana izany iny, tsy nampiova ny safidin'ny mpifidy izay efa nahazo fampanantenana hahazo mivarotra malalaka ireny toerana ireny "noho ny fahasahiranam-bahoaka" raha voafidy izay nampanantena. Resy tanteraka ny antokon'ny mpitondra, niova tsikelikely ihany koa ny toerana nahafinaritra rehetra vao haingana teo.

Teo aloha manko, tsy nisy nahasahy nanitsaka na dia ny bozaka amin'ny zaridaina aza, ankoatra ny fotoana vetivety hakana sary angaha, hany ka maitso mahafinaritra hatrany ny zaridaina nanerana ny tanàna. nanomboka teo kosa dia tsy nisy intsony ny nampitandrina tsy hanitsaka ny bozaka na ny zaridaina. Ny hita aza dia noezahin'ny mpitantana ny tanàna vaovao ny hanimbana ny zaridaina rehetra tamin'ny alalan'ny famaritana azy ireny hananganana tranoheva indrindra nandritra ny desambra 2008, tamin'ny nanesorana sy nitrongisana ny zaridaina nisolo toerana ny Lapan'ny tanànan'Antananarivo efa may tamin'ny 1972 fa hoe haorina indray ny Lapan'ny tanàna. Napetraka tsikelikely tamin'ny mponina fa tsy misy dikany ireny zaridaina ireny fa ravoravo natentina tsy mahavaha olana akory ny "fahasahiranan'ny mponina". Voavoly tao an-tsain'ny mponina tamin'ny ankapobeny nanomboka hatreo fa mahazo manao izay tiany atao amin'izay izy...

Tonga ny tolona laoranjy 2009. Notokanana ny kianjan'ny demokrasia hamoriana olona. Tiana haseho fa maro mpanaraka ny mpitolona. Niezaka ny nanangona ny azy ihany koa ny filoha tamin'izany fotoana izany tamin'ny alalan'ilay sarim-pitsenana tamin'ny 25 janoary 2009. Tsy nahazaka ny nahita ireto olona notaterina tany amin'ny manodidina an'Antananarivo ny mpomba ny TGV ka ho famaliana bontana izany dia nopotehina ilay tetezana fiampitan'ny olona tetsy amin'ny CENAM 67ha vita nahafinaritra sy naha-te-hijorojoro aza. Io no fanimbana fananana iombonana voalohany natao ankarihary... Ary dia nitohy izany ny alatsinainy 26 janoary 2009 izay tsy dia tiako hotantaraina aloha. Tafapetraka tanteraka indray ny toe-tsaina tsy miraharaha ny endrik'Antananarivo izay nilaozana 15 taona nialoha io fotoana io. Noho ny fifanarahana dia lasa mpiambina ny kianjan'ny 13 mey ireo tsy nanao na inona na inona fa mpanaraka sy mpangatangataka amin'ny vazaha sy manao rami mandritra ny andro (izay no mahakatry rami azy ireny)... efa manana ny anarana ahafantaran'ny maro azy aza izy ireny fa tsy averiko eto izany. Koa rehefa mpiambina ny kianjan'ny 13 izy ireny, indrindra rehefa nitolona ny mpomba an-dRavalomanana dia matoritory sy milalao eny amin'ny zaridaina izay norarana tsy itsahina  taona vitsivitsy nialoha io fotoana io. Dia manao izay tiany atao eny... Ka nifanaraka taminyianao koa! dia tonga amin'izao fenitra izao isika. Mitantara aho fa azonao tsikeraina izay nosoratako. Izaho koa mahafantatra tsara hoe iza no tena rangory nahatonga indray izao gaboraraka manimba ny tanànako izao.


Sarontava ny famitana  Lapan'ny tanàna

Tadiavina ho atao rehareha amin'izao fotoana izao ny fanamboarana sy ny fahavitan'ny Lapan'ny tanànan'Antananarivo. Nahoana kosa moa no tsy lazaina hoe tsara izany zavatra vita izany saingy tamin'ny fomba manao ahoana moa?

Voalohany, nandritra ny fampielezan-kevitra desambra 2007 dia tsy naheno mihitsy aho hoe hamboarina ny Lapan'ny tanàna satria mety horaisin'ny olona ho fampanantenana poak'aty avy hatrany izany. Vantany vao lany izy no nanambara izany fampanantenana izany. Nanokatra ny kaonty fandrotsaham-bola izy hirodorodoan'izay mety ho malala-tanana. naverina nofefena indray ny manodidina ny Lapan'ny tanàna. Tsapako avy hatrany tamin'izany fotoana izany fa tsy ny hanaboatra ny Lapa loatra no tena nahamaika fa misy zavatra hafahafa ketrehina eo. Ny nampihomehy irery ahy dia toa nisinda ilay ahiahiko rehefa naroso 20 metatra ny fefy nanaronana ny toerana. maika nanarona fotsiny ry zareo sy nitrongy tanteraka ny zaridaina tao fa toa mbola tsy vonona akory ny vola. Hay tokoa moa ka efa tetika vita paika tokoa ilay hoe hanangana ny Lapan'ny tanàna fa... efa fantatsika ny tohiny no tena nokendrena.

Rehefa tontosa izay nokendrena ka vita ny fanonganam-panjakana vao notadiavina indray ny hamitana ny Lapa. Ilay vola nangonina tsy hita nanjavonana fa dia nilaza handrotsaka vola 1 miliara ariary hamitana azy ny CUA raha 5 miliara ariary kosa ny avy amin'ny fitondrana foibe. Raha ny tokony ho izy anefa dia tsy tokony hahazo hanokana vola ho amin'ny famitana ny Lapan'ny tanàna izany ny mpitondra foibe satria tsy voasoratra tao anatin'ny tetibola izany. Ny Rovan'ny Manjakamiadana aza tsy azo nanaovan'ny fitondra foibe toy izany fa tsy maintsy avy amin'ny vola nomen'ny tsara sitrapo rehetra sy ny malala-tanana no namitana ny andiany voalohany izay vita amin'izao fotoana izao fa tsy misy tokotaniny kosa ny andiany faharoa. Hitantsika moa fa manao izay tiany atao ny mifehy ny tanàna amin'izao fotoana izao, ka izay no nahafahana mamita io Lapa io, fa raha tsy izany dia nivandravandra fa ilay tontosa tamin'ny janoary hatramin'ny marsa 2009 ihany no tena nilàny io toerana io. Na izany na tsy izany, tsy tahaka  izay tena tamin'ny endriny voalohany io fanamboarana natao io fa kely kokoa sy manify kokoa ny aty ambadika. Izany hoe tsy misy miraharaha ny amin'izany fa ny endriky ny Rovan'i Manjakamiadana ihany no tena tadidin'ny rehetra tsara ka tsy maintsy tafaverina amin'ny endriny teo aloha ny endrika hitan'ny Besinimaro imaso. Na izany na tsy izany tsy misy tsara tahaka ny vita e!

Tena zavatra hafa mihitsy no nokendreko hosoratana [ny resaka tolon'ny ankolafy telo sy ny hetsiky ny mpitondra fivavahana] fa dia lasa fanazavana hafa mihitsy no voavelabelatra. Raha te-hametraka hevitra ianao dia omany anaty brouillon aloha [notepad na Bloc-Notes] izay soratanao, dia rehefa vita izany no actualiser-nao ity takelaka ity, dia apetakao eo amin'ny hevitra ilay voasoratrao dia fenoina ny anarana, averina soratana eo anila ny marika hitanao dia alefaso amin'izay ny lahatsoratra.



jentilisa , 6 janoary 2010 amin'ny 01:16

Hotakiana hetra ny Ambasady vahiny eto Madagasikara???

2010-01-03 @ 20:59 in Andavanandro

Tsy mampino ny zavatra henoko, ka aleo apetraka eo amin'ny sehatry ny tsahotsaho, saingy ilay karazana tsaho sahala amin'itony ilay tena ahiako ho tanteraka rehefa heno ihany. Efa nanoratra ihany aho tamin'ny herintaona fa ny tsahotsaho tsy mampino fa toa fanaratsiana no iheverana azy no tontosa tokoa avy eo ka mitampim-bava fotsiny ireo naheno mialoha ka nilaza hoe resaka adala izany. Iza moa no nieritreritra hoe takiana IBS ny FJKM amin'izao fotoana izao? Mbola io irery aloha ny fiangonana mbola nilaza fa takiana io hetra natokana ho an'ny orinasa na tranombarotra io hatramin'izao... izay heverina ho antsojay manokana aloha hatramin'izao. Fa hay... raha amin'ity resaka henoko, mbola apetraka ho tsaho ity saingy aleo soratana sao tanterahin-dry zalahy tokoa, ity dia vao fanombohan-draharaha fotsiny io manjò ny FJKM io fa ho avy koa ny anjaran'ny hafa.

 
Re ary fa nanome (baiko tamina Minisitra hamoaka) naoty ingahy milaza ho filohan'ny FAT hitaky hetra amin'ny Masoivoho vahiny, sampan- draharaha iraisam-pirenena na/sy miankina amin'ny Firenena Mikambana, fikambanana vahiny tsy miankina manao asa soa fa hotakiana hetra koa ireto farany ireto. Raha manoratra aho dia mahafantatra tsara fa tahaka ny resaka adala izany, saingy efa nametraka tsara aho fa misy zava-kendrena ao matoa mivoaka ny zavatra sahala amin'itony. Izany hoe eto dia fomba mihaja handroahana ny vahiny rehetra ankoatra ny Frantsay no tanjona ary iny lalana iny no mizotra tokoa ho amin'ny fanjanahana indray an'i Madagasikara. Voararan'ny lalàna iraisam-pirenena na ny fifanarahana iraisam- pirenena ny famoahan-javatra tahaka izany, na ireo mpiasa nahita io naoty io aza dia nilaza izany hoe, saingy tsy noraharahiany izany fa tiany hotanterahina. Sahy milaza aho, fa raha vao nahare io siosion-dresaka io, dia nanao hoe tena sahiny ny mandray fanapahan-kevitra tahaka izany.

 
Tsy vao voalohany teo amin'ny tantaran'i Madagasikara manko no nisy toe-javatra sahala amin'izany fa efa nisy tokoa io tamin'ny taona 1975 tany ho any raha mody narangaranga ny antsoina hoe fitiavan-tanindrazana sady natao izay hamaritana fa ny fitiavan-tanindrazana dia midika hoe fankahalana ny vahiny rehetra sy ny fandroahana azy hiala an'i Madagasikara. Efa hitantsika amin'izao fotoana izao fa mandrangaranga ny antsoina hoe fiandrianam-pirenena ny FAT ary tsy sarotra ny hino fa vitany indray izany. Nanana ny lazany manko izany hopitalin'i Manambaro izany amin'iny faritra antsimon'ny nosy iny. Maro ny olona no nizotra nankany hotsaboina noho ny hatsaran'ny fitsaboana tany izay maimai-poana araka ny fahalalako azy. Ny Amerikana no nikarakara ny hopitaly na dia eo ambanin'ny anaran'ny FLM (Fiangonana Loterana malagasy) aza no nitantanana azy. Nanapa-kevitra ny filoha Ratsiraka tamin'izany fotoana izany, izay heverina fa noho ny soso-kevitry ny Past. Andriamanjato Richard Mahitsison izay mpanohana mavitrika ny TGV amin'izao fotoana izao, fa hakana hetra avokoa ny fanafody ampidirina rehetra eto Madagasikara na dia maimai-poana aza no hanomezana azy amin'ny marary. Ny Hopitalin'i Manambaro no tena kendrena tamin'io fanapahan-kevitra io, mba tsy hahavitany na inona na inona. Nahombiazana ilay tetika satria tsy tamana intsony ireo mpitsabo Amerikana fa lasa nody. Dia tetika tahaka izany indray no averina eto amin'izao fotoana izao hahalao monina ireo vahiny rehetra eto Madagasikara afa-tsy ilay efa nolazaiko ery ambony ka tsy mila averina intsony angamba.

 
Mbola mila hazavaina indray ve? Izany hoe raha toa mahatonga vary eto Madagasikara ny PAM (Programme Alimentaire Mondial) ohatra ka mitatitra ny fanampiany any amin'ny faritra atsimon'ny nosy dia andoavan'ny PAM habany ireo vary tongany hatao fanampiana ireo. Inona no antony hanaovany izany? Mety hihevitra avy hatrany isika fa noho ny tsy fahampian'ny vola ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana no hanaovana izany. Tsy voatery ho izay anefa no tena tetika ao ambadika na mody ampisainina amin'ny Besinimaro fa misoroka izay mety ho zavatra ampidirin'ny masoivoho vahiny na fikambanana iraisam-pirenena eto izy. Raha sanatria manko mby amin'ny fanavotana ny firenena tsy ho lasa zanatany indray ny Malagasy dia tsy manana lalana ampidirana izay fomba hanakanana ny hanjanahana an'i Madagasikara afa-tsy amin'ny alalan'ireo masoivoho efa misy eto Madagasikara. Efa tsinjon'ny sasany izay lalana izay, ka dia ny fomba hialan'ireo Masiovoho sy fikambanana iraisam-pirenena ireo no tetika atao amin'izao fotoana izao. Mariho hatrany fa eo amin'ny resaka stratejia amin'izao fotoana izao no tena ilaina fa tsy resaka fanoherana bontolo na amin'ny fo intsony. Anjaran'izay tokony hanana fanapahan-kevitra hentitra hanavotana an'i Madagasikara ny mieritreritra fa nanao ny anjara tandrifiko aho aloha izay androany.



jentilisa, alahady 03 janoary 23:03

Tononkira taombaovao

2010-01-01 @ 22:15 in Andavanandro

Endrey! Nahatratra ny taona vaovao, hono, isika rey olona a! taona vaovao hifampirariana soa eo amin'ny fianakaviana sy ny havana aman-tsakaiza ary ny mpiara-belona rehetra. Fomba fanao ve ka dia arahina? Mba andro manokana kosa e! Impiry hifampirary soa amin'ny hafa kosa ary moa? Dia inona ilay soa ifampirariana ary? Samy manana ny tiany io. Ny tena miverimberina moa amin'ny fotoana tahaka itony dia ny prospérité, santé, bonheur (fanahy iniako ny manao azy ho teny frantsay satria teny hainareo tsara izany ary azoko matetika rahateo)... Sahiran-kevitra mandrakariva aho rehefa mahazo hafatra toy ireo, nefa tsy efa tsara kosa ve ireo firariantsoa ireo? Ka samy manana izay tiany mihitsy io.

Sahirana aho, amin'ny maha-Malagasy ahy amin'izao fotoana izao, raha prospère satria hoy ihany ny teny malagasy hoe ny hazo avo halan-drivotra, dia velona ny fialonana miainga amin'ny hoe matoa manankohariana dia noho ny halatra sy ny fitsetsefana mbamin'ny fanambakana ary ny kolikoly izay nataony... Tsy mahagaga raha maro ny Malagasy any ambany ravinahitra any na dia manambola betsaka aza no tsy misehoseho loatra amin'izany, fandrao voatondro ho mpirehareha amin'izany toerana izany ihany koa. Amin'izao fotoana izao aza moa ny kely ananana mbola lazain-dry zalahy hoe aleo indray mba ho anay fa efa ela itony no anareo!

Sahirana aho, raha ilazana hoe santé satria toa manambara ahy ho tsy salama lalandava izany ka toy ny hoe farofy, nefa ny fahasalamana no voalohan-karena; ary efa tsy andrianina intsony ny marary fa ny aza tratrany ihany (aleo farafaharatsiny tendany? koa raha kenda amin'izany?). Ny fiarahabana Andriana teto Imerina no hoe  Tsarava... Tsy haiko intsony na niainga avy amin'ny teny hoe "Tsara va?", nefa mety ho firariana sahady mba ho tsara avy hatrany fa hosahirankevitra eo raha mandre hoe tsy dia salama... lanjalanjaina lalandava eny tokoa ve fa tsy mba mandeha tongotra loatra tsy ho farofy ihany e? Sa tsy mahazo manoratra tahaka izany moa aho?

Sahirana aho rehefa irariana ny bonheur satria toa petrakevitra tsy mety ho takatra (fa vano indray sa tararaka? tsy maninona ataovy vorompotsy hiara-dia, na vorondreo tsy mifanary, fa raha voromanga dia mahalala havana!), toa mametraka ahy avy hatrany ho dans le malheur... Tsy fahatsapana velively anefa izany bonheur izany ka entina ifaliana fa mitombina tsara ny hoe mijaly aho nefa sambatra. Aza tadiavina ela loatra ny hevitr'izany sao mahalasa adala anao eo... Fa torolalana kely ho anao fotsiny ilay filazana hoe: "Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana fa izy no hovokisana". Noana sy mangetaheta va ka ho sambatra? Minoa fotsiny ihany! Koa nahoana aho no mbola irariana bonheur nefa efa ao anatin'ilay bonheur? Dans le sens que ce bonheur me dirige vers le bonheur! Azafady! Salama tsara aho ka! mety mbola tsy ho takatrao fotsiny ny heviny!

Dia aza atao mahagaga anao nandefasako firariantsoa raha soratra manao hoe: "Ho aminareo (mandrakariva) anie ny fahasoavan'ny Tompo!" no vakianao. Satria samy manana ny Tompony io. Ao ny manana azy ho YHWH, na Jesoa, na Allah, na Bouddah, na Krishna, na Mammon... eny mety ho Moi na izaho ihany koa, tsy adino Ra-jeanne... tsia Razana no tokony ho fanoratra azy. Koa raha manonona anao hoe Tompo aho tsy ny Tompoko tsy akory no irariako hanasoa anao fa ny Tomponao ihany, mety ho miresaka tompo roa samihafa isika nefa mety miresaka tompo iray ihany koa. Fa tsy ny taona vaovao mihitsy kosa aloha no hitondra soa sy fanambinana ho anao na izany aza! Manahirana mihitsy ange ry zalahy ity teny malagasy ity nefa dia izany no malaza amin'ny olona... Toa tsianjery maimbo fotsiny.

Dia izay no ela fa dia inona loatra no nahatonga ny lohateny? Mijery ny zavamisy eto Madagasikara amin'izao fotoana izao manko ny tena ka dia mahatsiaro ilay hiran'i Mahaleo mitondra ny lohateny hoe Bemolanga iny. Toa hira taombaovao izy iny raha jerena amin'ny tonony. Dia indro averina kely ho antsika rehetra ny sombiny:

Ny taona ity miherina,
Asa izay mba entin'iny
Ahiako mbola hiverina
toy ny tamin'ny taona lasa ny zavatra raiketin'iny

Fa ny fanantenana
Efa mihena, mitsilopy
Fa tsy misy fihatsarana
Na mba hisy fiovana f'efa zary nofinofy

...   ...   ...   ...

Rahoviana no hitranga
Asa angamba atsy ho atsy
No ho tonga i Bemolanga
Dia isika tsy ho lany vatsy

Mahavariana fa be tokoa ny mieritreritra ankehitriny fa ahiana ho toy ny tamin'ny taona 2009 lasa ihany no haverina horaiketin'ity taona vaovao 2010 ity. Na dia mitantara ny trangam-piainana tanatin'ny revolisiona sosialista tsy azo niresahana politika na nitsikerana fitondrana aza izany fotoana izany, itony hira Bemolanga fampanantenana natao tamin'ny olona itony no hiram-panoherana nasehon'ny olona ny tsy fahafaliany ka nohirain'ny tanora isan-tamboho. Mandraka ankehitriny, toy ny hiram-paminaniana indray fa toa hitohy amin'ny 2010 ny tolona natomboka tamin'ny 2009. Ankehitriny, rehefa hotrandrahina tokoa i Bemolanga hay ny orinasa vahiny ihany no hitavana azy fa tsy manambola hitrandrahana ny hareny i Madagasikara. Tahaka ny hoe naniry loza ho an'i Madagasikara ihany isika hitrandraka an'i Tsimiroro sy i Bemolanga fa ny angovo dia imatimatesan'ny firenena ambonin'ny tany, ary izay firenena trandrahin'ny vahiny ny angovo ao aminy toa miady an-trano avokoa... Ka ampiadiany izay manaiky miady tsy hanelingelina ny fitrandrahany azy, fa sombintsombiny ihany ny vola omeny ny mpitondra ho fanapena-maso ity farany. Koa tsy an-dalan'ny ho any koa ve izany isika? Indrisy manko...

Manahy aho fa tsy hisy hiova
Ny omaly tsy hiova volo (Aiza kosa? tsy maintsy hoe ihany orange ve?)
Toy ny fanaka eny an-dRova
Tsisy nanombinana fa efa may avokoa (na efa zary bobongolo)


jentilisa, 02 janoary 2010, amin'ny 00:20 maraina

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Janoary 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
31            
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox