Voalohany, tao anatin'ny herinandro latsaka teo ho eo dia hitako nihaniadana ny halakin'ny fiseraserana amin'ny aterineto fampiasako. Moov itony fandoa sara mialoha itony no fampiasako mandra-piandry izay mety hahafa-po ahy rehefa tena miasa ny Hosina (cable na fibre optique) ka mivoatra tokoa ny tontolon'ny serasera, izany hoe sady mihamora takatry ny besinimaro ny sarany no mihahaingana ny fahazoana soratra fototra (donnée). Mazava loatra fa vokajiko tsara sy raisiko naoty avokoa ny fandaniana ataoko hamantarako ny fotoana hampidirana fahana vaovao indray. Tsikaritra tsara noho izany, fa raha nahafapo ahy, izany hoe nahafahako nanangona fotsiny ny vaovao avy amin'ny vohikalam-baovao malagasy sy bolongana mpivoy hevitra mifandraika amin'ny zavamisy eto Madagasikara ny folo minitra teo alohaloha teo dia tsy ahavitako ny toy izany intsony amin'izao fotoana izao fa sady manafosafo ny 20 minitra no sarotra vao miseho endrika ny ankamaroan'ny vohikalam-baovao mety ho tsy ampiantranoan'ny server eto Madagasikara (sady amin'ny moov koa angaha).
Tsikaritro manokana fa miandry amina minitra avokoa vao miseho tsara ny vohikala mpanome vaovao malagasy iray. Misy aza any amin'ny fito minitra any vao tafavoaka ny takelaka fidirana iray. Ny tena tratran'ireo toe-javatra ireo dia ireo atao hoe manana fahaleovan-tenany ihany amin'ny famoaham-baovao satria tsy mandoka loatra ny eo amin'ny fitondrana izy ireo. Fa ny miavaka indrindra amin'ireo rehetra ireo dia ny vohikala iray niorina am-bolana izao mpanohana ny FAT (Actumada) fa toa tsy manisa segondra aza dia tafasokatra avy hatrany. Ny tahaka ny an'io farany io angamba no fisokatry ny takelaka any amin'ny tany mandroso any, hoy ny eritreritro. Fahoriana tanteraka kosa izany hijery ny vaovaon'ireo vohikalan'ny gazety iraisam-pirenena (tandrefana) miresaka Madagasikara fa ampolony minitra no isaina vao tafasokatra azo vakiana ny soratra fa ahato kosa (stopper) izy tsy hamoaka sary sy dokambarotra fa manjary sintoniny hatrany ny fakana soratra fototra (donnée). Ilay soratra fototra moa dia araka izay fahazoako azy no lazaiko ka ahitsio aho raha misy tsy mety ny filazako azy.
Manangona vaovao fotsiny no lazaiko eto satria mpanara-baovao ny tena no ilaiko ihany koa izany horaiketina tantara amin'ny fotoany dia efa manahirana aoka izany ny mahazo azy eto Madagasikara. Tsy misy fanakanana na sivana mivantana izany fa dia lasa mandany vola kokoa aho rehefa ela kokoa ny fotoana iseraserako. Na izany aza dia manahirana ihany ny ataon'ny Mpanome Tolotra Iseraserana (fr: FAI) manao izay tiany atao amin'ny fitadiavam-bola ranofotsiny fa toa tsy miraharaha loatra ireo mpampiasa aterineto efa zatra. Ny dokambarotra fotsiny no atao mipoapoaka fa ny fikarakarana ny mpampiasa ny tolotra tsy raharahiana akory. Angamba mila fikambanana mpiaro ny zon'ny mpampiasa aterineto, hiteny ny ataon'ireto orinasa Mpanome Tolotra Iseraserana ireto fa ry zareo indray no manelingelina ny zo hahalala vaovao.
Olana iray ahy manokana aloha, tsy fantatro manko na izaho irery no tratran'ity olana ity na ahoana fa mba manontany ny hevitr'ireo mpampiasa moov mandoa sara mialoha aho, fa misy tahirin-kevitra iray mba tiako alaina izay ao amin'ny
lahatsoratr'i Achille 52 ao momba ny bolabola (bois de rose) fa tsy mety mahazo azy io mihitsy aho. Raha eo ho eo amin'ny 4.7 MB eo no lazaina fa vesatr'ilay tahirin-kevitra tiako sintonina dia eo amin'ny 1.2MB eo foana dia votsotra ny fitrohana ilay tahirin-kevitra, noho izay dia tsy mahasokatra ilay tahirin-kevitra mihitsy aho. Averiko indray fa mety ho olana ahy manokana ity noraisiko ohatra ity, nefa dia te-hanontany indrindra ny hevitry ny hafa mipetraka eto Madagasikara mampiasa Moov aho.
Mbola vao maka vaovao fotsiny no ambarako aminareo fa ny manome vaovao, indrindra fa ny mamoaka sary ihany koa dia mbola tantara hafa mihitsy. Tsy fantatro aloha ny any an-kafa any, fa tamin'ny mbola azoazo aza ny fiseraserana no namoahako ireny sariitatra maromaro ireny fa lazaiko anareo fa maherin'ny atsasakadiny (mba tsy ilazako hoe adiny iray latsaka fahefany) no namoaka azy ireny fotsiny. Izany matetika no mahatonga ny tena ho kamo hamoaka sary na dia mba mety hisy ihany aza ny azo avoaka. Dia hevero amin'izany ry mpamaky hajaina ny tolona ataonay te-hahalala vaovao sy te-hampahalala vaovao ihany koa. Saingy noho ny fitiavana manko no anaovana izany, avoaka ny marina sy ny zavamisy fa avoaka ihany koa ny hevitra.
Sao mba fitahiana ilay fikatsoana?Aza mora tezitra fa saino tsara ny zavatra soratako aloha. Mety ho gaga ny maro nefa izay mihitsy no sainiko. Tsy mety mifanaraka mihitsy ny efa-tonta amin'ny fandrafetana ny governemanta sy ny andrim-panjakana hafa. Lasa indray ny saiko manao hoe sao dia izay aloha no mety sy tsara amin'izao fotoana izao? Misy manko ny mifikitra hitantana ny zava-drehetra saingy tsy mety tontosa na tsy mety eken'ny hafa hatrany amin'ny sehatra iraisam-pirenena izany. Dia velom-panantenana ny tena fa tsy very toky. Nahoana tokoa moa no terena hiasa ny mpankahala sy ny ankahalaina, ny nandroba sy ny voaroba, ny mpanangana sy ny mpandrava? Fa eto ihany koa no mifampitady ny hery sy ny diplaomasia.
Amin'izao fotoana izao dia tadiavina mafy ny hitantanan'ny sasany samirery ny firenena ary tsy tapaka ihany koa ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa kadradradradraina mafy ho toy ny loza mihantona ho an'ny Malagasy izany fahatapahan'ny fanampiana sy ny tetibola iarahamiasa izany. Ataoko fa raha nahavita tena samirery ny tao amin'ny FAT tokony tsy nifampiraharaha tamin'ny ankolafy hafa na oviana na oviana. Toa izay no tiany aseho amin'izao fotoana izao nefa voatery nifanaraka tamin'ny hafa ihany tany Addis Abeba sy Maputo. Mbola manahy zavatra hafa mihitsy aho eto. Ny fanahiana mazava ho azy tsy voatery ho marina saingy tamin'ity taona ity moa dia zavatra nihoampampana noho ny fanahiana hatrany no nitranga, ka dia matahotra aho.
Manahy aho fa iniana atao ny mampitarazoka ny zavatra rehetra, indrindra fa ireny misy fiaraha-miasa fitrosana ireny, hanehoana fa tsy maintsy hikoropaka ihany ny firenena lehibe mihevitra ho mitana ny ankamaroan'ny vola tadiavina. Mifanenjana amin'ny Amerikana sy ny vondrona Eoropeana araka ny fanahiako ny fitondrana FAT amin'izao fotoana izao ka izay iray milefitra eto. Raha milefitra ny firenena voalazako ireo dia hibata fandresena lehibe ry zareo. Fa raha tsy mety milefitra kosa ny Amerikana sy ny Eoropeana, ka tapaka tarangana ny fanampiana, dia azony atao tsara amin'izay ny miala... nefa misy tetika goavana hatrany ao ambadik'izany. Miala izy tsy noho ny fitakian'ny olona fa miala izy rehefa potika tanteraka ny toe-karena ary maizina tanteraka ny ho avy, ka izay misolo azy io no tena iangonan'ny rihitra rehetra, izany hoe mizaka ny tsy fisiana rehetra... dia afaka hitabataba ihany koa ry zareo fa tsy mahavita na inona na inona ihany koa izay nihevi-tena hisolo azy ary mbola mieritreritra ny hibata fandresena ihany koa izy ao anatin'izany. Eo ihany koa anefa ny fiheverany fa eo ampelatanany ny hery ka tsy hisy ho afa-manao na inona na inona eo raha mbola izy koa no mitondra, no tsy hisy hafa afa-mitoondra ankoatrany eo.
Fehiny: aza heverina ho fahadalana mihitsy izay ataon'Ilaikely izao (tsy hanonona ny anarany manontolo mihitsy aho tsy hahabe fanononana ny anarany amin'ny aterineto) fa hevero fa misy fanomezatoky azony na paika henjana tsy noeritreretintsika noho ny fitabatabana mialoha ataontsika hatrany fa fahadalana sy hakelezan-doha na fifikirana amin'ny seza fotsiny no ataony amin'izao fotoana izao. Izany hoe eo hatrany ihany fomba fiteny an'ny mpanjanatany hoe "Il ne faut jamais sous-estimer l'adversaire" fa io hatrany no efa nahavoa hatramin'izay. Na iza na iza tsy mahafantatra marina izay tena ketrehiny amin'ny farany na tanjony farany ankoatra ny tenany fa raha fantatsika izany tokony ho hay ny mamaha ny olana. Matoa kosa toa tsy mety taitra amin'ny zavamisy izy amin'izao fotoana izao dia mbola hitany fa tsy fantatsika ny tena tiany ahatongavana. Mety ho fotoana fotsiny, na ora na andro no andrasany ka tsy tokony hampitoetoetra antsika foana. Mba hitanareo mikaro-bahaolana ve izy? Efa nanome sosokevitra hanohizana ny asan'ny minisitra voatendry teo aloha anie izy e! Koa samia mandinika tsara sao mbola diso paika hatrany isika amin'izao fotoana izao.
jentilisa, 01 desambra 2009, amin'ny 00:47
Mitaintaina avokoa ny mpanara-baovao politika miandry ny fivoahan'ny mpikambana ao amin'ny governemanta iraisan'ny rehetra. Samy nanana ny paikany ny tsirairay tamin'ny fandrombahana ny toerana tsirairay. Nisy toerana nahitako ny lisitra manko ary rehefa notopazako maso dia tsy kisangisangy ilay izy fa azo heverina tsara (na sanatria mety ho tsy marina aza!). Somary nahavariana ihany ny filazana mialoha nataon'ny ankolafy sasany fa tsy azo soloina intsony ny minisitry ny fampianarana ohatra satria tsy mety ny manolo minisitra antenantenam-pianarana izany. Fantatra ihany fa tao anatina taom-pianarana no nanaovany izay tiany natao teto amin'ny firenena. Misy tetika ambadika tao anatin'io fifikirana minisitera tsy fiandrianam- pirenena io. Heveriko avy hatrany fa tiana ampiasaina ny mpiasam-panjakana ao amin'ny fampianarana hanao fampielezan-kevitra sy hitatitra haingana ny voka-pifidianana ka avy amin'izay no mety hanamboamboarana ny voka-pifidianana. ny minisiteran'ny fampianarana tsinona no maro mpiasam-panjakana (mpiasam-bahoaka) indrindra sy mieli-patrana mahazo hatramin'ny fokontany rehetra manerana an'i Madagasikara.
Izay no nanoratako tao amin'ny famahanam-bolongana fohy (twitter user jentilisa) ny tsy tokony ampiarahana velively ho ana ankolafy tokana ireo minisitera roa samihafa ireo dia ny fampianarana sy ny atitany. Ao amin'ilay tombatombana moa dia tsy tafaraka aloha ilay izy. Ny tena marina no tsy fantatra na hanao ahoana na hanao ahoana. Ny minisiteran'ny fahasalamana kosa indray dia mbola an'ny ankolafy hafa tsy iretsy ankolafy manana ireo minisitera roa tian-kotondroina etsy ambony. Azo heverina ho mahenika ihany koa an'i Madagasikara iray manontolo io minisitera iray io, na dia ekena tokoa aza fa tsy tonga hatrany amin'ny fokotany rehetra. Azo lazaina fa samy manana hafetsena mihitsy ireo ankolafy tsirairay na izaho no lasa lavitra loatra ny fisainako amin'ny hoe fanomanana fifidianana ho hatao mandritra ny tetezamita ka ireo fitsinjarana minisitera ireo no natao dia mba hanomanan'ny ankolafy indrindra indrindra izany fifidianana izany na dia eo aza ny andraikitra sahaniny ho an'ny vahoaka. Efa nisy ihany moa ny fetsifetsy nanao filazana tamin'ny mpiasam-panjakana rehetra any amin'ny sampan- draharaham- panjakana any fa ny filohan'ny tetezamita irery ihany na ny fiadidian'ny tetezamite irery ihany no tokony hotoaviny sy handraisany baiko. Atsahatra eo aloha ny amin'iny satria atao hoe tombana ihany no misy hatreto fa omena anao etsy ambany ihany izany lisitra hitako izany.
Fa ahoana ny resaka miaramila?
Toe-draharaha nanamarika ity herinandro ity ny fanambarana samihafa nataona manamboninahitra miaramila vitsivitsy. Nisy ireo manamboninahitra no mitady hanindry fa misy ny manana zo tsy azo ifampizarazaran'ny filoham-pirenena. Mba nijery rakibolana teny vahiny (na dia teny ofisialy aza) ihany ny tena ka nahita fa toy ny hoe tombontsoa manokan'ny Mpanjaka (nahavariana ahy io teny io fa naninona no tsy ny filoha no noraisiny?) io resaka zo tsy azo ifampizarana amin'ny hafa io. Soa ihany fa nisy ny manamboinahitra hafa avy hatrany dia nahasahy nijoro nilaza fa tsy voatery araka izay heverin'iretsy voalohany no andikana izany zo tsy azo ifampizarana izany. Ireo voalohany izay notarihan'ny Lt-Kl Charles Randrianasoavina sy Lt-Kl Lylison de Roland moa tao amin'ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra no nanao ny fanambarany. Ireo nanohitra azy dia ny Kmdà Roger Luc sy ny Kp Mbohoazy Lahinilainy izay fantatra fa avy ao amin'ny 1°RFI kosa tsy fantatro mazava ny toerana nanaovany fanambarana.
Zava-mahavariana ireo fanamabarana ireo. Iretsy voalohany mety hihevitra fa ry zareo sy ny tariny no mahery ka tsy hisy ny hahasahy hanohitra azy ireo. Karazana fanindriana ny hafa rehetra no nataony. Etsy ankilany ihany koa anefa dia mety ho hevitra farany nataon'izy ireo ny fanambarana nataony hanavotany ny olona arovany mba hanandanja kokoa eo amin'ny firenena fa tsy ho vasok'ilay hoe tsy maintsy nifampizara fahefana. Nisy tampoka ny miaramila namaly ny fanambaran'izy ireo, nahasahy naneho ny heviny, nefa tsy voatery hanambara ny heviny manohitra ireo nanao fanambarana tao amin'ny Lapam-panjakana ka hampiseho hoe mizara ny tafika. Teny tsy zakan'ny ao amin'ny miaramila rahateo izany hoe "mizara" izany. Ny roa tonta nanao fanambarana dia samy tsy naka alalana tamin'ny Lehiben'ny etamazaoron'ny tafika na ny minisitry ny Fiarovana. Raha ny tokony ho izy izany dia mendrika ny hosaziana avokoa ry zareo rehetra ireo. Efa nanambara ny Kaomandà Roger Luc fa efa naharay ny saziny saingy tsy ahoany loatra izany rehefa tsapany fa nanao ny adidiny izy ary tsy manenina tamin'izay nataony. Izaho manokana dia mendri-piderana ny nataony, na dia ny hahatonga saina ireo mpanao fanambarana tsy nahazoana alalana ihany aza no mety ho tanjony. Te-hamerina ny Tafika amin'ny sehatra tokony hisy azy izy fa tsy hitsabaka amin'izay tsy tokony ho tsabahiny. Olona firy re no mba mahasahy ny manao ny tahaka azy ireo? Mandika ny lalàna hiarovana ny rariny sady manaiky ny sazy mifandraika amin'ny fandikan-dalàna nataony. Misy manko ireo mandika lalàna nefa tsy te-hanaiky ny sazy tokony hampiharina aminy tamin'izay nataony. Endrika fanajana ny lalàna amin'ny fomba hafa.
Ireto ary ny lisitra nisy namoaka izay lazaiko hatrany fa mbola miandry fanamarinana ofisialy:Eugène Mangalaza, Premier Ministre
Ny Hasina Andriamanjato, VPM Economie
Manandafy Rakotonirina, VPM Fonction Publique
Manoro Régis, VPM Enseignement Sup. et Recherche
José Andrianoelison, Ministre Finances et Budget
Gal Noel Rakotonandrasana, Ministre Forces Armées
Serge Zafimahova, Ministre Transports et météorologie
Henri Roger Ranaivoson, Ministre Affaires Etrangères
Josiane Robiarivony, Ministre Energie
Julien Razafimanjato, Ministre Education Nationale
Miandrisoa Marcel, Ministre Enseignement Tech. et Formation prof.
Serge Radert, Ministre Commerce
Gal Organès Rakotomihantarizaka, Ministre Sécurité intérieure
Rafatrolaza Bary, Ministre Mines et Hydrocarbures
Serge Ranaivo, Ministre Jeunesse et Loisirs
Montfort Enselme, Ministre Pêche et Ressources Halieutiques
Augustin Andriamanoro, Ministre Télécommunication, Postes et NTIC
Manantsoa Victor, Ministre Tourisme et Artisanat
Sophie Ratsiraka, Ministre Environnement et Forêt
Rolland Ravatomanga, Ministre Agriculture et élevage
Gal Claude Ravelomanana, Ministre Gendarmerie
Ramisandrazana Rakotosoa, Ministre Justice
Nirhy Lanto Andriamahazo, Ministre Eau
Guy Rivo Randrianarisoa, Ministre Travaux publics
Tabera Randriamanantsoa, Ministre Intérieur
Rapelanoro Rabenja, Ministre Santé
Azaly Ben Marofo, Ministre Sports
Nathalie Rabe, Ministre Communication
Randriamandranto Ihanta, Ministre Décentralisation
Dr Joseph, Ministre Population et Affaires Sociales
Julien Reboza, Ministre Aménagement du Territoire
Tina Rasamimanana, Ministre Industrie
José Vianey, Ministre Culture et Patrimoine
Raha raisina isaky ny ankolafy kosa dia tahaka izao:Ankolafy RajoelinaNy Hasina Andriamanjato, VPM Economie
Julien Razafimanjato, Ministre Education Nationale
Serge Ranaivo, Ministre Jeunesse et Loisirs
Augustin Andriamanoro, Ministre Télécommunication, Postes et NTIC
Gal Noel Rakotonandrasana, Ministre Forces Armées
Gal Organès Rakotomihantarizaka, Ministre Sécurité intérieure
Gal Claude Ravelomanana, Ministre Gendarmerie
Ankolafy RavalomananaManandafy Rakotonirina, VPM Fonction Publique
Henri Roger Ranaivoson, Ministre Affaires Etrangères
Rafatrolaza Bary, Ministre Mines et Hydrocarbures
Rolland Ravatomanga, Ministre Agriculture et élevage
Guy Rivo Randrianarisoa, Ministre Travaux publics
Rapelanoro Rabenja, Ministre Santé
Randriamandranto Ihanta, Ministre Décentralisation
Ankolafy ZafyManoro Régis, VPM Enseignement Sup. et Recherche
Serge Zafimahova, Ministre Transports et météorologie
Miandrisoa Marcel, Ministre Enseignement Tech. et Formation prof.
Serge Radert, Ministre Commerce
Manantsoa Victor, Ministre Tourisme et Artisanat
Tabera Randriamanantsoa, Ministre Intérieur
Dr Joseph, Ministre Population et Affaires Sociales
José Vianey, Ministre Culture et Patrimoine
Ankolafy RatsirakaJosé Andrianoelison, Ministre Finances et Budget
Josiane Robiarivony, Ministre Energie
Montfort Enselme, Ministre Pêche et Ressources Halieutiques
Sophie Ratsiraka, Ministre Environnement et Forêt
Ramisandrazana Rakotosoa, Ministre Justice
Azaly Ben Marofo, Ministre Sports
Tina Rasamimanana, Ministre Industrie
Ankolafy hafaNirhy Lanto Andriamahazo, Ministre Eau
Nathalie Rabe, Ministre Communication
Julien Reboza, Ministre Aménagement du Territoire
jentilisa, Asabotsy 21 novambra 2009 amin'ny 00:45
Mbola tsy mitsahatra tsy akory ny momba ity président sy coprésident ity. Mpanara-baovao ny tena ary mba manana hevitra ny amin'ireny kisangisangy mivoaka ireny ihany koa. Nahatsipalotra ny sariitatra (caricature ho antsika zatra kokoa ny teny frantsay) nivoaka tamin'ny gazety l'express de Madagascar nivoaka io talata 10 novembra 2009 io. Ny mpilaza moa dia niteny fa fanarabiana ny mpanohana sy ny mpanaraka ny firehana Ravalomanana indray izao no angadin'i Elisé Ranarivelo. Tsy maninona io fa samy manana ny heviny. Misy koa ny gazety tena mahay manao sariitatra fa mahatamana indrindra ny an'ny gazety Tia Tanindrazana. Mahafaninana tokoa ary mahay mihoatra noho ny gazety Hehy tamin'ny fotoan'andro nampalaza azy. Fa hiverina tamin'ny sariitatra lazaiko indray aho.
Tao amin'izany sariitatra izany na tsy misy endrika na tavan'olona asehony aza dia ahitana fiara mpanao fifaninanana iray. Tsy F1 io mazava loatra fa irony fiara mpandeha amin'ny lalantsarotra sy lalantany irony. Misy olona iray mibaiko hatrany ao hanadio na hanisaka ny fitaratra, hamafa ny seza, hikopakopaka...dia mba niteny ilay miaraka aminy saingy valin'eso no azony hoe "Izay anie no ananako Copilote e!", dia ompa, hono, sisa no nataon'ny iray. Dia nihomehy aho fa nihomehy tamin'ny lafiny ilany, nihomehy ny "tsy fahaizan'ilay mpanao sariitatra". Izaho koa aloha tsy dia maharaka io fifaninanana fiara io saingy mba manana fomba fihevitra manaraka lôjika kely ihany.
Voalohany, raha tena amin'ireny fiara mifaninana ka misy pilote sy copilote ireny dia voatsinjara tsara ny anjara asan'izy ireo. Ny Pilote no mitana ny fanamoriana, tena ekeko tokoa. Fa anjaran'ny copilote no mitazona ny famantaranandro ijerena ny ora sy ny faharetana, mitazona ny sarintany hilazany mialoha ny fiolahana hodiavina ary tsy maintsy manaraka izay lazainy ny pilote, izany hoe ny copilote no "mibaiko" ny pilote. Ny Copilote no miteny hoe ankavia kely, ankavanana be, ankavanana tanteraka sns... Izany hoe tena anjaran'ny copilote no tokony hampihatra raha eo amin'ny lafiny politika ny antsoina hoe amin'ny frantsay hoe: "Gouverner c'est prévoir" satria eo aminy ny sarintany ijereny ny lalana sy hanoroany ny pilote. Ny anjaran'ny pilote dia ny mijery tsara ny lalana sy ny mihaino tsara ny baiko omena azy. Noho izany, amiko mba mizesta ery ilay mpanao sariitatra nefa diso ny zotra ankapoben'ny tantara ataony. Fa na izany na tsy izany tsy fiarakodia tsy akory i Madagasikara fa firenena.
Hahazo vahana eto amintsika ve ny vondron'asa La sentinelle?
Vaovao fohy navoakan'ny vohikala Sobika ny andron'ny talata 10 novambra ihany koa no mbola nahitana hoe hiasa miaraka ny vondron'asa Sentinelle avy ao amin'ny nosy Maorisy sy ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo. Dia mitohy ny voalaza fa handray an-tanana ny famoahana ny gazetin'ny Kaominina io orinasa io. Mba tahaka ny ahoana moa no nahazoan'io orinasa io ny fandraisana an-tanana ny gazetin'ny Kaominina izany? Mba misy ve ny tolotr'asa ampahibemaso sa dia fifanarahana ambadika fotsiny no natao? Misy dia misy manko ny antony mahaserny ahy amin'ity zavatra iray loha ity, ankoatra ny maha-mponin'Antananarivo Renivohitra ahy. Fomba fiasa nentina nanenjehana ny filoha Ravalomanana ho manao kolikoly manko no atao ankehitriny rehefa tsy mazava tsara ny nahazoan'io orinasa io izany ampiandraiketana azy izany.
Tamin'ny volana oktobra 2009 teo dia namoaka gazetiboky tsy manan-daharana nampitondraina ny lohateny hoe "Regards sur une crise Madagascar" ny gazety l'express de Madagascar. Amin'ny ankapobeny dia fanatsatsoana an-dRavalomanana sy fanasohasoana an-dRajoelina ny votoatin-dresaka ao, na dia mody lazainy mialoha aza fa ny hevitra rehetra mivoaka ao dia an'ny mpanoratra tsirairay ihany. Sary moa no tena betsaka fa misy lafiny Saikolojia (Psychology) miasa dia miasa ao ambadiny. Dia aleo lazaina mialoha fa ny Caractère Ltée ao anatin'ny vondron'asa La Sentinelle no nanonta io gazetiboky io. Tsy maintsy tsara jerena kosa aloha ilay boky fa ny tao an-tsaina avy hatrany raha vao nahita ilay vaovao dia hoe fifanandrifian-javatra fotsiny ve ny namoahana ity gazetiboky nolazaiko io sy ny fandraisan'ilay mpanonta an-tanana ny famoahana ny gazetin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra? Mba lazao kosa ny tena antony fa mba betsaka ihany anie ny mpanonta boky eto amin'ny tanàna e! sa potika tamin'ilay 26 janoary 2009 iry daholo ireo orinasa nahavita zavatra tsara rehetra teto?
Tsikera momba ny gazetiboky "Regards sur une crise Madagascar"
Mba manankambara momba ity gazetiboky mipetraka ho tsangambaton'ny tantara ity sahady aho, na dia mbola tsy tapitra aza ny tetezamita ka mbola eo ampanangonam-baovao sy fandrafetana ny lahatsoratra izay mety ho mpanoratra tantara tsirairay. Sary no tena betsaka hoy aho nefa tena miasa ny saikolojia. Pejy fahadimy no misy sary sy fanazavana voalohany: Lohateny manao hoe "Arrêt sur images". Misy sary roa ampitahaina eo mazava ho azy. Ny sary voalohany, sarin'afisin'i TGV tamin'ny fifidianana asandratr'olona iray anivon'olona maromaro sady maro amin'izy ireo no manao ny marika V. Ny sary faharoa eo ambany kosa dia sarin'afisin-dRavalomanana tamin'ny fifidianana ihany amin'ny tany kosa sady efa naharovitana no ambanina vy may. Tsy ahitana olona mihitsy kosa. Hafatra ambara amin'izany: Manam-bahoaka i TGV ary lavo tanteraka sady tsy misy olona intsony manaraka ny filoha Ravalomanana. Fehiny: mivandravandra sahady nyfirehan'ny gazetiboky na dia mbola tsy tapitra akory aza ny tetezamita sady tsy mbola nisy ny fifidianana manaporofo izany.
Amin'ny ankapobeny ny gazetiboky dia tahaka ny maneho ny hamaroan'ny mpanaraka an'i TGV (izany hoe ny sary tamin'ny 24 janoary sy ny 26 janoary no faratampon'ny fahamaroan'ny olona indrindra) sy ny fahabangabangan'ny mpanaraka an-dRavalomanana nandritra ny tolona natao. Zavatra marina nosoratany dia ny filazana fa efa nihakely hery saiky levona tanteraka ny tolon'i TGV raha tsy teo ny miaramila mpioko. Avy eo moa lasa fiarovana ny miaramila nioko indray no natao lahasa avy eo.
Tsy aritra ihany koa ny ao amin'ny pejy 63 milaza ny nanomezan'ny filoha Ravalomanana ny fitaovan'ny MBS rehetra tsy tratran'ny fandrobana ho an'ny TVM sy ny RNM tamin'ny 5 febroary 2009. Nolazain'ny gazetiboky moa fa tsy nahafina ny ampihimamban-dRavalomanana teo amin'ny sehatry ny haino aman-jery izany fahalalaha-tanan'ny filoha Ravalomanana izany. Hoy kosa aho hoe: Raha nanome ny fitaovana ny filoha Ravalomanana dia mba hahenoana indray ny TVM sy ny RNM, tsy hampitaintaina ny any amin'ny faritra. Adidy ny azy mba hampandeha indray ny fanomezam-baovao. Tao anatin'ny paikan'ny fanonganam-panjakana manko ny "famotehana" ireo haino aman-jerim-panjakana ireo tsy hahafahan'ny filoha Ravalomanana miteny na aiza na aiza intsony. Tsy mahagaga raha tezitra ny mpanohitra satria nandeha indray ny RNM sy ny TVM nanomboka hatreo. Azo heverina manko fa nafenina tany ambadimbadika ihany (heveriko fa ny toby miaramilan'ny Capsat ihany) ireo fitaovana ireo, izay nananganana ilay TVM bis tamin'ny volana martsa 2009.
Fehiny, efa vonona amin'ny itantarantsika ny tantara ihany koa ve isika rehetra fa tsy ny hafa ihany no hitantara?
jentilisa, 11 novambra 2009 (11-11-2009) amin'ny 00:53
Amin'ny fiaraha-monin-tserasera tahaka itony bolongana itony dia misy ny fanao itadiavana lohahevitra iresahan'ny mpamaham-bolongana maro izay mety hisandrahaka manerantany avy hatrany. Eo amin'ny hevitra, araka ny fahalalako azy, na ijerena ny hevitr'olona ilay rojom-bolongana na entina indrindra indrindra hanairana ireo zary natoritory. Koa aza atao mahagaga raha mety tsy hahatohy loatra ilay Rojo aho, izaho ary ve mavitrika dia mavitrika no efa fantatry ny rehetra ny hevitro dia inona indray ny mbola ampiana. Noho ny eritreritra tsy mety dia hanao adidy kely ihany ny tena na dia kilalao aza no tena antony. Efa amin'ny rojom-bolongana fantatro dia devoara roa izao no mbola tsy vitako dia ny devoaran'i Rondro (Ikalamako) sy ny devoaran'i Solofo (Maudigascar). Ny devoaran'Ikalamako ary aloha no hovitaina araka izay tratra.
A) Tsy maintsy manoratra faniriana valo tiako ho tanteraka aho?Hanoratra aho hoe soa ihany fa nosoratana ilay izy fa raha tsy izany dia mody narenina aho ka nanao hoe: "inona ny fanirian-dRavalo tiana ho tanteraka?" Ny olona aloha no miantso azy hoe "Modia! modia!" fa izy toa tsy taitra akory fa milaza fotsiny hoe tsy maintsy ho avy i Dada dia izay ihany. Dray dray dray dray! aza fady re fa diso adiresy izany resako izany nefa mba tiako lazaina ihany.
1) Mba tsy ho leo miresaka politika ny olona satria araka ny andosirana ny tsy iresahana azy no mahatonga ny politika ho lasa olana mandrakariva. Mitaky olona mandray andraikitra ny politika ka izay no amerana ny taona farany ambany amin'ny adidy sy firesahana politika. Amin'izay fotoana izay tsy hiandry na hitady Mesia intsony ny Malagasy. Mifandrindra amin'izany hatrany, mba ho ny saina no mifidy amin'ny fotoam-pifidianana fa tsy ny fo, dia tsy hanenina amin'ny safidy natao ny tsirairay.
2) Mba ho tia mamaky boky sy lahatsoratra amin'ny teny malagasy ny ankizy malagasy amin'izao fotoana izao, ary ho vitsy dia vitsy ny tsipelina diso rehefa manoratra izy ireo. Amin'izay fotoana izay, ho azo antoka fa manana ny ho aviny ny teny malagasy ary hahatsapa lalina ny mahamalagasy azy ny taranaka sady tsy hitsiriritra ny randrana manendrika ny hafa.
3) Mba hihamaro dia maro ihany koa ny bolongana amin'ny teny malagasy ho fampiroboroboana ity tenin-drazantsika ity. Tsy lavina velively ny teny vahiny sady ifandraisana amin'izao tontolo izao izany fa irìna ny iroboroboan'ny teny malagasy amin'itony aterineto itony.
4) Mba tena hihamora tokoa ny sara-pifandraisana eto Madagasikara fa tsy ny dokambarotra no terena handainga hanaitairana olona. Tsy handahatra ny sara lafo efa napetraky ny teo aloha ny hafa aoriana fa mba ho tsapan'ny mpampiasa itony fifandraisana itony fa mahazo tombony izy amin'ny fampiasana azy, ka tena hanjaka ny fifaninanana fa tsy tonga any amin'ny eritreritry ny olona hoe mifanaraka ambadika fotsiny ry zalahy.
5) Mba hanjaka ny fifampifehezana ary ho foana ny baranahiny, hilamina avokoa ny rehetra sy ny zava-drehetra. Mba hahatsapa ny hasarobidin' izany fifampifehezana sy filaminana izany ny Malagasy. Ratsy dia ratsy angamba ny handraisanareo ilay teny hoe fifampifehezana fa dia andeha hatao hoe hahay hifehy tena anie ka tsy hanaotao foana.
6) Mba tsy hohosihosena intsony ny safidy politika natao ary hiandry ny fifidianana izay te-hirotsaka hofidiana. Mifandrindra amin'izany, tsy ho fitakiana politika intsony no hidian an-dalambe fa fitakiana sosialy ary tsy hiofo politika avy eo. Halalaka ny fanehoan-kevitra saingy hofaizina kosa ny minia manely vaovao voaporofo fa tsy marina sy manakorontana olona fotsiny ary sazy henjana no ho an'izay mandranitra ady an-trano sy fifandirana eo amin'ny mpiray firenena.
7) Mba ho ampoka ny fifaliako eo amin'ny fiainana fa tsy fanalana azy fotsiny no iainana. Toy ny raraka be dia be manko ny fifaliako hatramin'ny fanongam-panjakana tamin'ny 17 martsa iny. Toy ny misaona mandrakariva izany ny tena ka tsy mahay mifaly anatina fampisehoana hira na zavatra hafa.
8) Tapitra sahady ve ilay faniriana valo? Fa naninona koa ary no natao valo fa tsy fito mba isa masina ahay? Tsss...
B) Lazao hoe mahatonga anao hieritreritra inona ireto voambolana ireto: message, blog, croix, scrap, création, bonheur, enfant, vie, passion : Message: fenorana, oadray fanorana hay moa no fiteny... mahatonga ahy hihevitra hoe twitter, friendfeed, SMS... Olona mifanalavitra no tena mifandefa hafatra fa raha olona mifanatritava kosa dia ny fomba fihetsika sy ny fomba fijery no hafatra ampitaina rehefa tsy tiana avoaka ambava ilay izy.
Blog: ahatsiarovako ny karazan-gazety amin'ny teny malagasy mivoaka isak'izay tiany ivoahana teto Madagasikara nandritra ny fanjanahantany. Izay nanana fahafahana hamoaka gazety dia namoaka avokoa, eny fa na dia maro aza no tsy naharitra loatra. Be koa tamin'izany fotoana izany no niovaova anarana ireo gazety malagasy ireo.
Croix: Iny Lalana iny misy Hazofijaliana saingy hotohizako ny lalako satria samy mizaka ny hazofijaliany ny tsirairay.
Scrap: Raha Carpe dia haiko fa trondro azo atao laoka fa io aloha tsoriko fa tsy haiko mihitsy.
Création: Ilay tontolo nosimban'ny olombelona ka sarotra ny iverenany amin'ny toetrany voalohany indrindra. Fa na tsy misy LA io fa tsy LE dia izay no tiako lazaina. Fa tena nahafinaritra ahy aloha ny fakandrivotra fony mpianatra e! Nanempotra be manko, hono, taloha ny tao ampianarana noho ny fanaovana tsianjery masiso ny zavatra nianarana fa tsy mahazo mamoron-desona ny mpianatra dia nomena Recréation ny ankizy hilalaovana ka tsy haiko intsony na mamorona no dikany na milalao sy miriaria.(Hors-sujet! ZERO!)
Bonheur: Fa tsy misy resaka fivavahana ve aloha no tanjon'ity Rojo atao ity? Tsy misy reharehako afa-tsy ianao Jesosy ô! Anao ny dera Anao ny laza sy voninahitra!... Sambatra aho Jesoa ô! Manana Anao izay Tompon'ny Aina! Sambatra aho Jesoa ô! Ampy ahy ny fitiavanao!... Hira fanao eny amin'ny Magro Ankorondrano manko izy io e!
Enfant: izy no tena akaiky ny Bonheur rehefa tsy manao ny adalany ny olondehibe
Vie: Vy vato Sakelika ve? Misy ny mandalo dia misy ny miserana fa ny maharitra mandrakizay no tadiavin'ny mpivavaka sy ny mikatsaka ny fahasambarana.
Passion: Tsy azoko ho'aho hoe naninona ilay téléfilm na télénovela breziliana tokony hitondra ny lohateny hoe "Au coeur de Peché" no natao hoe "Au coeur de Passion" e? Sa fahotana ben'i Kristy ilay fotoana nangirifiriany nialoha ny hahafatesany iny sa fahafinaretany ilay izy nampijalijaliana azy araka ny fitantaran'ny "La Passion du Christ" iny?
Oadray! tsy misy teny hafa azo analana azy intsony kay!
D) Inona no ambarako amin'ilay nikitika an-tserasera ahy?Rondro (
Ikalamako) dia vehivavy. Any Italia any no ipetrahany. Mody hoe tsy mahay resaka kajimirindra izy fa toa bebe ihany ny zavabitany. Inona koa no tianao ho fantatra ny aminy? Tsy aleo ve tonga dia miresaka aminy?
Dia izay aloha ny amin'ny devoaran'Ikalamako fa
hiditra amin'ny devoaran'i
Solofo indray aho.
Ny devoara atao eto indray dia milaza ny lahatsoratra telo navoaka voalohany indrindra. Ka ny ahy raha ny fitadidiako toa voatahiry hatramin'ny lahatsoratra tsy am-bolongana saingy natao ho an'ny Besinimaro tao amin'ny vondrona serasera tao amin'ny Yahoogroupe tao koa. Tamin'ny
11 janoary 2005 io lahatsoratra io no navoaka ary nataoko hoe maresaka ny lohateniny, ka aza atao mahagaga anao raha lasa anaram-bolongana amin'izao fotoana izao ilay hoe Maharesaka. Gazety manko no nakana ny anarna tamin'izany fotoana izany. Nandrakitra an-tsoratra ny adihevitra mpitranga isa-maraina tamin'ny radio don Bosco sy ny radio tana aho tamin'izany fotoana izany satria ny fahatsapako tamin'izany fotoana izany dia izay lazain'ny gazety no noheverin'ny tany Andafy ho hany marina. Niezaka aho noho izany ny hahafantaran'ny Malagasy any ampielazana bebe kokoa ny zavanisy teto Madagasikara. Toy izany hatrany no nataoko nandritra ny roa volana... hitako fa miverimberina moa ny adihevitra ka tsy dia nazoto intsony aho ny hampita ny hevitry ny olona. Nanomboka nangetaheta hamoaka ny hevitro samirery amin'izay aho nanomboka teo.
Herintaona mahery taty aoriana kosa aho vao nanoratra tamim-bolongana. Nanao tsy ankiteniteny ihany aho satria noezahiko ny tsy hifandraisan'ny serasera yahoogroupes sy ny nosoratako voalohany tamin'ny 24 febroary 2006 izay niresaka lohahevitra sarotsarotra ihany momba ny fivavahana sy ny fifanoheran-kevitra mety hiteraka olana ao aminy. Nalaza indrindra manko tamin'io fotoana io ireo saritatra heverina ho naniratsira an'i Muhammad nivoaka an-tserasera. Niteraka fidinana an-dalambe ireo saritatra ireo ka namoahako ny hevitro manao hoe "Lasa fihomehezan'ny tsy mpino ny mpino"tamin'iny toe-draharaha iny. Mbola resaka ankapobe iny fa ny ampitso dia ilay resaka fandraisana anjaran'i Mathieu Razanakolona handray anjara amin'ny lalao ôlaimpika fanao ririnina no nosoratako sy notohanako ny hilalaovany sy hitondrany ny faneva malagasy satria bebe ihany ny gazety no nanakiana io fandraisany anjara io. Mahatadidy isika fa ny hahenoana ny anaran'i Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena no tena tanjon'ilay zalahy nipetraka tany Canada io tamin'izany fotoana izany. Tany amin'ny blogspot efa voafafa avokoa izany nosoratako izany.
Dia hoy aho hoe tsy efa ampy kosa ve izay nosoratako izay? Fa lasa namadibadika ny tahirintsoratro aho ka nahita fa hay vao voafidy ho Ben'ny tanàna Atoa Andry Rajoelina tamin'ny 2007 dia efa nisinisy sahady ny
nanosika azy hanala ny filoha marc Ravalomanana ka efa nampitandremako hoe tsy tokony haneritery ity mpitantana vaovao ity mihitsy ny fitondrana mba ho voninahitra ny handraisana ny Fivoriambe Afrikana 2009 sy ny an'ny miteny frantsay 2010. Miala tsiny kosa aho raha tsy hametraka olona hanohy ny rojo satria mpitsara ny tena ka andrao lazain'ny hafa fa te-hanasongadina olona aho nanonona an'izatsy na izaroa. Mbola mitohy hatrany hatramin'ny 29 novambra 2009 manko ilay
Best Of Malagasy Blogs koa na hitanao aza fa efa nisy nifidy izay tiana hofidiana dia mbola azonao fidiana indray mandeha koa iny hahamaro ny hisafidy azy. Aza adinoina io fa ny toy ireny koa mandrisika anay mazoto mamaham-bolongna itony hanao ny tsaratsara kokoa. Marihina hatrany fa tsy mandray anajara intsony i Jentilisa fa efa Mpitsara amin'ny famaranana kosa.
jentilisa, 8 novambra 2006 amin'ny 02:08
Noraiketina tamin'ny fotoana farany ihany fa dia iaraha-mitantana araka ny filaza azy tokoa ny tetezamita amin'izao fotoana izao raha ny ho fivoakan'ny tovana amin'ny fifanarahan'ny Maputo voalohany no tarafina. Rehefa nodinihina dia ny lalan'ny fandriampahalemana no noraisina, izany hoe nidifiana lavitra ny mety hisisan'ny gidragidra eto amin'ny tanàna. Raha nandre ny momba azy ity voalohany indrindra aho dia kivy tanteraka satria ny mpampita vaovaon'ny mpanohana ny mpanongam-panjakana no nihazakazaka nahavoaka voalohany ny resaka, nefa dia manana ny fomba fialzany izy... tena talentany tokoa ny nampita ny vaovao.
Nitamberina ao an-tsaina ny foto-kevitra tsy hanekena na oviana na oviana ny mpanongam-panjakana hitantana na dia ny tetezamita fotsiny ihany aza. Ny Malagasy anefa amin'ny ankapobeny dia mpijery ny zavamisy (réaliste), ary manana ilay fomba fitenenana manao hoe: "ny heloka ibabohana mody rariny, ary ny rariny itompoana mody heloka." Raha azavaina amin'ny fiteny ankehitriny izany dia manao hoe ny heloka rehefa ekenao fa nataonao tokoa ary nanenina tamin'izany ianao, dia mamindra fo aminao ny olona (olon'ny fo manko ny malagasy) ka lasa miandany aminao... miezaka ny olona ny hanampy anao hiarina amin'izay fotoana izay. Misolo vava anao amin'izay nanaovana hadisoana ihany koa ny olona mba hieritreretan'ilay nanaovana hadisoana tsara amin'ny sazy hampiharina anao.
Ny rariny, tsy tiana hozogozonina kosa na ihenjanana eo amin'ny Malagasy araka ny nolazaiko ihany, dia manjary ataon'ny olona ho helokao indray... eo ny olana, tsy nijery ny mahaolona mety diso ianao araka ny fijeriny fa manao ilay akaikin'ny fiteny hoe ny tendrom-po tsy mba namana. Mpandala ny fihavanana ny Malagasy, araka ny fiteny manao hoe aleo very tsikalakalam-bola (fahefana raha ny eto) toy izay very tsikalakalam- pihavanana (miala amin'ny ady an-trano eto), dia milefitra amin'ny sazy tokony ampiharina ka manao hoe: rano raraka tsy azo raofina iny ka ny manaraka no tsy atao intsony. Tsy dia manampahaizana loatra ny momba ny teny malagasy, itarafana ny toe-tsaina malagasy amin'ny ankapobeny, aho fa izay araka ny fahazoako azy ihany no ampitaiko etoana sady itarafana ny zavamisy ankehitriny. Fa inona ity nahazo ahy toa tahaka ireny mahay mikabary ireny?
Etsy ankilan'izay foto-kevitra iray tokony ho rariny izay, tsy fola-mandefitra fa maka toerana, ny mpanongam-panjakana no manana ny hery sy ny fitaovam-piadiana. Tsy mba tahaka ny mpanongam-panjakana hafa any amin'ny kaontinanta hafa loatra ny mpanongam-panjakana teto Madagasikara fa afaka nivezivezy tany amin'izay toerana rehetra tiany aleha. Ny hafa manko voasazy tsy mahazo mandeha any amin'ny firenena maro any avaratra indrindra indrindra. Ny teto amintsika indray efa samy tongany na Etazonia na Eoropa ka manome vahana ilay ahiahy fa ilay firenena nanjanaka ny Malagasy teo aloha ihany no mitady hangeja azy indray amin'izao fotoana izao...hiarovany ny tombotsoany fotsiny. Ny Ngeza (firenena io) anefa tsy mifampihinana loatra fa mifanaja. Koa na inona na inona mety ho hatezerana nihalohalo tao anaty tao, ny saina mandinika kosa mahatsapa fa tsy misy lalan-kafa afa-tsy izay fantatra ankehitriny amin'ny fiaraha-mitondra isian'ny filoha telo no vahaolana tsara indrindra.
Mihomehy ihany ny tena, mieritreritra ity firenena malalantsika ity, tahaka ny dia tena hafa mihitsy anie ry Rainisoazanatasy (tsaroanareo ve ny fomba fiteny tamin'ny gazety Lakroan'i Madagasikara fahiny?) mianakavy. Avy nandalovany tamin'ity taona ity izany Praiminisitra telo (na efatra), izay manjary lasa idirana ny filoha anankitelo. Nisy izany Praiminisitra Monja Roindefo izany, izay miandry ny trano ao mahazoarivo ao, nefa efa notendrena sahady izany Praiminisitra Mangalaza, nanjary nialokaloka tany Frantsa vetivety aloha, ary dia natao Praiminisitra vonjy tavan'andro Rtoa Manorohanta Cécile. Ankehitriny, tanteraka ny nofinofin'i Andry Nirina Rajoelina sy Lafrantsa antsoina hoe filohan'ny tetezamita iraisana, saingy iraisana amin'olona antsoina hoe Rakoto Fetisoa Andrianirina (Misy Nirina roa mitondra eto Madagasikara!) sy Emmanuel Rakotovahiny ilay fiantso. Tiana ankalazaina ery izany hidradradradrana fandresena angaha, nefa sonia telo no tsy maintsy andrasana amina fanapahan-kevitra somary lehibebe. Enga anie mba tsy ho mpiray tsikombakomba amin'ny ratsy izay voatendry fa hifanaramaso kosa ka tsy hisy ny hanao tandrevaka na hanao gaboraraka ny fitantanana ity firenena ity. Rediredy ihany noho izany ny ilazana ny iray ho président fa ny hafa kosa ho antsoina hoe co-président. Tsy havanana amin'ny teny frantsay ny tena, saingy ny sary ahantona eny amin'ny biraom-panjakana kosa angamba no tsy mety fa dia an'ny Président ihany e!
Faly ihany ny tena, rehefa nisaina kely, satria tsy nisy ny resy ary tsy nisy koa ny nandresy tamin'ny fifanarahana vita. Ataoko fa samy nahazo ny anjarany avy ihany ny ankolafy tsirairay. Ny olana hany sisa hitako dia ny momba ny miaramila. Misy manko ny mihevitra amin'ireo mpitondra miaramila fa ry zareo ihany no mandidy amin'izay mipetraka ho minisitra sy ho lehiben'ny etamazaoro. Anjaran'ny tsirairay ny mamakafaka sy ny mieritreritra ny tokony atao amin-dry zalahy ireo. Samy afaka ny hitabataba fa nandresy, nefa samy hahatsapa fa misy fifampiandrasana hatrany eo. Io fifanarahana io aloha no vahaolana tsara indrindra amin'izao fotoana izao fa ny ampitso no hamaritra tsara izay tena hendry sy eken'ny maro ny fihetsika nataony nandritra ny fihaonana. Ny mpino an'Andrimanitra moa dia tokony hisaotra Azy indrindra fa manomboka miaha ihany ny olana mianjady amin'i Madagasikara ary indrindra indrindra...na dia mihevi-tena ho mpitondra aza ny sasany dia misy olona roa manara-maso ny zavatra ataony nefa tsy tokony azony ataony na inona na inona. Hotohizana ny lalana!
jentilisa, Antananarivo 7 novambra 2009 amin'ny roa maraina.
Lahatsoratra masiaka dia masiaka izy ity ka izay mora tohina aleo tsy mamaky aloha! Tsy misy resaka diplaomasia ka handambolambo resaka fa toy ny donak'afon'Analakely ity ka avy hatrany dia any am-bovonana; hady vomangan'Ikirijavola ka ny voamasony no potsirina. Raha milaza fa leo politika moa ianao ka mahazaka tenenina dia ho anao indrindra ny resaka, fa efa mampiomana anareo indray aho fa hasiaka ity lahatsoratra ity.
Sombin-tantaran'ny fahakelyEfa nosoratako eo amin'ny momba ahy fa tia ary tsy leo miresaka politika aho. Izany hoe, azo heverina fa ao anatin'ny sokajin'olona eto Madagasikara tena vitsy dia vitsy an'isa indrindra. Manahy aza aho hoe mba misy 1% ve izany tsy leo miresaka politika toa ahy izany? Fony mbola kely aho dia tia namaky boky sy gazety, Gazety Imongo Vaovao sy Maresaka no tena famaky fa ny gazety Atrika moa toa fotoana vetivety ihany no nivoahany raha tsy diso aho. Tamin'ny fahasivy na fahafolon'ny taonako aho no nahita boky sekoly alahady tantara antsary (nivoaka tamin'ny 1968 ary nivoaka tsikelikely) voatahirin'ny dadabeko (avy amin'ny reniko). Vitako vaky avokoa hatrany amin'ny Genesisy ka hatreo amin'ny sarin'ny labozia fiton'ny Apokalipsy nandritra ny vakansy.
Herintaona taorian'izay indray no nahitako ny gazety Hehy (1967-1975) nipirina tao amin'ny dadabeko (avy amin'ny raiko) sy ny gazety Fanasina (gazetin'ny protestanta tamin'izany fotoana izany). Notiavina ny namaky hatsikana nefa anisan'ny tena namolivoly tao amiko tao ny fizotran'ny 1972 sy ny 1975 heveriko ho voantantaran'ny gazety Hehy hatramin'ny antsipiriany. Nanomboka teo no nanomboka nanintona ahy ny fizotran'ny tantaran'i Madagasikara, ary nitsiry tsikelikely ny fitiavana nanaraka resaka politika. Raha tsikaritrareo mpamaky dia gazety sy gazetiboky amin'ny teny malagasy avokoa no efa nankafiziko sahady tamin'izany fotoana izany. Koa aza ataonao mahagaga intsony raha mikiry ny hanoratra amin'ny teny malagasy aho.
Efa nampiainana politika sahadyTadidiko ny nanaovana ahy an-tsangory nandeha nankeny amin'ny Catalane (Toby Ratsimandrava amin'izao fotoana). Maromaro ny olona nifanao fotoana tamin'ny raiko tamin'izany, ary maro dia maro ihany koa ny olona nitanjozotra ho any amin'ny alehanay. Tsy dia nahafantatra tsara ny anton-dia aho fa tamin'ny fotoana namakiako ny tahirin'ny gazety hehy voalazako etsy ambony no nanaovako tsoa-kevitra fa "hijery" ny Kolonely Ratsimandrava nisy namono no nandehanana tany.
Tadidiko hatrany na dia mbola kely aza aho fa nisy nanoratra ENY vaventy dia vaventy teo anoloan'ny tranonay, 1975 io taona io. Naparitaky ny fiaramanidina (tsy tsaroako intsony na voromby na angidimby)ny taratasy na baoritra miendrika ovale misy ny sarin-dRatsiraka sy ny soratra hoe Eny maro dia maro tokoa [efa nahay namaky teny ve aho sa ny fahatsiarovan'ny jery matanjaka ato amiko no hahatadidiavako izany?]. Dia izay ihany koa ny fifidianana na fandrotsaham-bato tadidiko voalohany indrindra (CEG 67ha) fa tsy fantatro tsara hoe fitsapan-kevi-bahoaka io. Mbola tsy ampy dimy taona akory aho tamin'izany fotoana izany.
Tadidiko naverimberin'ny MFM sy nataon'ny ankizy litania ny hoe: "Tsy maintsy mandresy ny tolona, na hinan'ny T..ny aza ny olona". Nalaza teo amin'ny misy anay ny MFM satria betsaka mpianatra amin'ny anjerimanontolo nipetraka nanodidina ny nipetrahanay. Tahaka ny teny nandeha ho azy izany taminay na dia somary nampihhisitrisitra ny ray aman-dreny ihany aza.
Tadidiko natao litania tamin'ny taona 1978 taona iraisam-pirenena ho an'ny ankizy raha ny fahatsiarovako azy ny kabary niverimberina manao hoe "Ankizy ankehitrio tompon'ny taona 2000". Toa kabary natao hampitony ny ray aman-dreny mahatsapa fa mihasarotra ny fiainana io fombam-pitenenana io. Tsy mbola tadidiko nisy naneho fimenomenonana ampahibemaso tamin'ny olona tamin'izany fotoana izany.
Tadidiko ny taona 1979 fa nisy zavatra nanahirana ny raiko, sy nilofosany fa tsy fantatro mazava aloha tamin'izany fotoana izany noho ny maha mbola kely ny tena angaha. Nitondra trakitra hatrany izy, hay moa nanao fitokonana ny mpiasam-panjakana saingy resy tamin'izany fitokonana nataony izany. Hatramin'izao dia tsy fantatro tsara ny tena notakian'ny mpiasam-panjakana fa ny tadidiko dia Antaimbarinandriana no tena nifanaovana fotoana.
Nandeha indray ny taona 1982 na ny nifanakaiky tamin'izany, toa nandehanako hatrany ny fivoriana politika natao tao amin'ny kianjan'ny COUM 67ha. Asa! noho ny COUM toeran'ny Anjerimanontolo ve fa tsy nahatsikaritra mpitandro filaminana aho teny amin'ny manodidina teny. Ny Monima notarihin'It. Monja Jaona no karazana "mpanohitra" tamin'izany fotoana izany... Ny teo 67ha ihany no naleha fa tsy nahafantatra izay nitranga taty Analakely, toa hoe nisian'ny fifandonana tamin'ny mpitandro ny filaminana aho. Ny marina kokoa, sarotra ny manao fihetsiketsehana teo Analakely satria mbola nanjaka ny TTS sy ny fandrobàna nataony sady teo amin'ny Toby Pochard eo akaiky eo no misy azy. Rehefa nisy ny rotaka, na dia ny faharesena tamin'ny baolina kitra teo Mahamasina aza dia misy hatrany ny olona manao rodorodo mandroba teny Analakely ka ny VETMAD hatrany no lasibatra voalohany. Nampalhelo mihitsy io orinasa io tamin'izany fotoana izany. Mba an'iza ary izy io no nankahalaina tahaka izany?
Tsy nananjò hifidyTamin'ny taona 1989 dia tokony ho ny volana desambra no natao ny fifidianana ho filoham-pirenena. Nikabary anefa ny filoha Ratsiraka tamin'ny fiandohan'ny taona fa haroso amin'ny 12 martsa ilay fifidianana. Tsapako ho feno alahelo aho satria andro sisa no isaina aorian'io 12 martsa io dia feno 18 taona aho, izany hoe afaka mifidy amin'izay. Nafana dia nafana ny resaka politika teo aminay samy mpianatra, na mpiara-mipetraka. Ny nahazendana ahy raha ny fivoahan'ny adihevitra dia tokony ho ny mpanohitra no nivoaka nandresy. Saingy nizarazara moa ny mpanohitra fa samy teo i Monja Jaona, Manandafy, Marojama Razanabahiny. Hita amin'ny resaka ihany fa samy nifidy izay mitovitovy fiaviana aminy ny tsirairay. Ny avy eto afovoantany nirona kokoa tamin'i Manandafy. Ny tany Anindrana kosa nitodika kokoa tamin'i Marojama. Teo ihany ny nisafidy an'i Monja Jaona. Efa nanambara ny hanaovana ankivy ny fifidianana ihany ny MFM noho ny ahiahiny amin'ny fizotran'ny fifidianana saingy tsy eken'ny sain'ny mpifidy izany ka nilefitra ihany ilay antoko tamin'ny farany.
Ny ampitson'ny androm-pifidianana, nangina hafahafa ny tao ampianarana. Ankona tamin'ny fahagagana fa mbola maro mpifidy ihany ny Arema angamba. Lasa fampaherezana ny mpianatra sy fampiononana no nataon'ny mpampianatra kajy anay tamin'izay fotoana izay. Tsapan'ilay mpampianatra angamba ny fahadisoam-panantenanay mpianatra. Isaky ny fakan-drivotra dia mivoaka ny vavahady hatrany izahay ary misioka izay fiara manakaiky ny faritry ny sekoly, na izay rehetra azo siahina. Nivadika ho fitoraham-bato izany indray maka.
Nihananakaiky ny andron'ny 13 mey 1989 ka feno mpitandro ny filaminana nandehandeha ny tanàna indrindra fa ny nanakaiky ny sekoly. Nisy mihitsy aza ny miaramila no napetraka tao amin'ny efitra iray ao amin'ny sekoly. Nampiakatra ny tambavin'ny mpianatra izany tamin'ny fakandrivotra ka nahatonga ny tabataba. Namanenoina haingana ny lakolosy fidirana saingy tsy nisy niraharaha izany. Velona ny fitorahana ny efitra nisy ireo miaramila. Tonga ny mpanampy an-dry zareo! tamina kamiao maromaro. Nirohotra nakeny ambavahady ny mpianatra. Ny zatovolahy mitoraka moa ny zatovovavy maka vato tamin'ny sobika fanangoana fako isan'efitra tao amin'ny lalamby (LMA Ampefiloha ny sekoly nianarana) mandalo ambadiky ny sekoly. Tsy maintsy hoe vaky nandositra ny miaramila satria mpianatra rehetra no niara-nirohotra. Tsy anjerimanontolo ny Lisea saingy tsy neken'ny mpianatra ny hanitsakitsahan'ny miaramila ny faritry ny sekoly. Tsy nisy ny mpampianatra na mpandraharahan'ny sekoly sahy nibedy ny mpinatra tamin'io fotoana io.
Saika tao amin'ny LMA no niaingan'ny fitokonan'ny mpianatra tamin'io fotoana io, ka nahamailo ny fitondrana. Ny LMA irery manko no nandroaka ny miaramila hiala ny faritry ny sekoly noho ny fananana ireo vaton'ny lalamby lasa karazana bala. Nalefa hiala sasatra mialoha sy andro maromaro ny mpianatra rehetra tao amin'ny LMA manokana raha nitohy kosa ny fianaran'ny sekolim-panjakana hafa. Tamin'izany fotoana izany manko dia efa saiky hivadika politika ilay lonilonin'ny mpianatra. Kamo kosa aloha ny mbola handeha hivory tamin'izany fotoana izany nefa mba nahazo vakansy aza. Maty momoka ny tolona tamin'io fotoana io. Rava koa ny GVTD rehefa nandalo teo Madagasikara ny Papa
Rehefa nahazo nifidy indrayDia nisy koa ny tolona 1991. Nikatso tanteraka ny machine administrative saingy tsy nahala ny filoha izany. Nisara-kevitra ny MFM sy ny Hery Velona hafa. Tadidiko tsara fa voatery nitondra ny sezany ho eny ambony sehatra it. Germain Rakotonirainy teo amin'ny kianajn'ny 13 mey.
Taty aoriana moa dia lasa nikisaka tao amin'ny Lisea Rabearivelo ry zareo ka nanagana ny Hery Velona Rabearivelona na Herivelon'i Madagasikara. Ny hafa kosa nametraka ny anarany ho Hery Velona Rasalama satria fanaovana toeram-pivoriana isan-tsapana ny Kolejy Rasalama etsy Ampandrana. Nandalo ny 10 aogositra 1991 fa mbola tsy nahaongotra an-dRatsiraka ihany izany. Ny lazany fotsiny no niharatsy. Tsy maintsy nifanekena ny fifanarahan'ny Panorama nivoaka tamin'ny 31 oktobra 1991. Niaraha-nitantana ny tetezamita.
Tamin'ity fotoana ity (1992-1993) vao tena nampiasa ny safidy ny tena. Na mpandeha teny amin'ny kianjan'ny 13 mey aza ny tena dia tsy nifidy an'i Zafy Albert tamin'ny fiodinana voalohany. Olon-kafa no nofidiana satria izay ny safidiko. Tamin'ny fiodinana faharoa vao nandrotsa-bato ho azy aho. Mety ho antony iray nanaovako izany safidy izany ny nitadiavako ny hilaminana ka hanekena ny fifanarahana. Nankatò ilay fifanarahana aho raha nitsipaka izany kosa ny mpitolona nandeha isan'andro teny amin'ny kianjan'ny 13 mey. Tsy teto an-toerana ny Pr Zafy Albert (praiminisitra an-dalambe) tamin'ireny fotoana ireny ka ny fandavany ampahibemaso ny fifanarahana (nefa toa tsy hita akory izay fanovana natao tamin'ny fifanarahan'ny Panorama efa vita sonia) no nahatonga ny safidin'ny Besinimaro ho kandidàn'ny Hery Velona (Rasalama).
Tonga ny taona 1996, naongan'ny Antenimieram-pirenena tamin'ny asany ny filoha Zafy Albert. Nandeha indray ny fifidianana. Olonkafa no nofidiako fa tsy Zafy Albert na Didier Ratsiraka. Izany hoe hisafidy amin'ny olona samy efa nitondra indray ny vahoaka malagasy. Nilaza ho leo sy tsy hiraharaha ity fifidianana ity indray ny ankamaroan'ny tanora. Nankalazaina fatratra eran'ny vazamontotra manko fa hifidy amin'ny pesta sy kolerà ve? Izay fanaratsiana ny zavatra politika izay no fahadisoana goavana, sady nokendrena rahateo moa ny hahavitsivitsy kokoa ny mpifidy e! Izaho kosa tsy nandairan'ny fanaratsiana befahatany ny politika fa nandrotsaka ny vatoko tamin'ny Pr Zafy Albert ihany. Naneho ny safidiko aho ary tsy nanenina tamin'izany. Tadidy tsara kosa fa nihanihena ny vaton-dratsiraka rehefa nihatonga tsikelikely ny avy any Ambanivohitra. Tsy navela hiditra ny trano boriborin'ny minisiteran'ny atitany intsony ny solontena sy ny mpanara-maso avy amin'i Zafy Albert. Mazava loatra raha mipetraka ny ahiahy fa namboamboarina ny vato mba hendresen-dRatsiraka. Kely ny elanelambato ofisialy saingy be tamin'ny tanora kamo nifidy tamin'ny fiodinana faharoa no nanenina avy eo hoe tahaka izay ihany nifidy... izany hoe naleo hay nifidy Zafy Albert! Ny nenina moa tsy eo aloha hananatra fa...
Ankehitriny kosa manao ahoana?Nodinganiko ny 1999, 2001, 2006 ary ny 2007. Velona indray ny fanaratsiana ny mpanao politika. Raikitra indray ny fanosora-potaka ny zavatra politika. Manao izay samy igadonan'izay hitranga indray ny maro an'isa. Dradraina indray fa mitady filaminana sy fitoniana ny vahoaka. Hita eny ho eny ny fametrahana ny olona ho anaran'aretina. Eo amin'ny fotoana heverina ho mahaketraka izay indrindra anefa no tena tokony ijoroana. Miala tsiny aminareo namana rehetra aho. Hametraka ny hevitro izay hanafintohina aho. Safidy politika ny ahy ka abaribariko. Izaho manokana tsy manaiky fotsiny ny hoe izay ifanarahan-dry zareo ao. Izaho tsy manaiky ny atao an-jorombala. Mametraka izay heveriko ho vahaolana haingana kokoa aho. Rehefa
hitako tato [teny malagasy] ny zava-mitranga any Honduras dia velom-panantenana ihany koa aho.
Ny any Honduras raha mety haverina amin'ny toerana mahafilohan'ny firenena azy Atoa Zelaya izay vao naongana, ka iaraha-mitantana ny fitondrana, ary ao anatin'ny iray volana no hanatanterahina ny fifidianana ho filoham-pirenena, dia hoy aho hoe: rehefa tsy averina hitondra ary Ravalomanana dia tsy tokony hitondra ihany koa Rajoelina. Izay no fampitoviana lenta sady mifanaraka amin'ny lalàna iraisam-pirenena. Koa ny hany andrasako amin'ny fivoriana any Adis Abbeba noho izany dia na tsy mitondra Rajoelina na tsy vita ny fanaovan-tsonia dia aleo samy mahita eto isika ary samy hizaka ny vokany. Ny tadiaviko dia vitaina haingana ihany koa ny fifidianana fa tsy hialintaona izany ity raharaha ity. Amin'izay fotoana izay samy tsy maintsy mandray ny andraikiny avokoa ny rehetra na aleo ny mpanongam-panjakana no mitondra na tsy maintsy tontosaina ny fifidianana. Izay malemy loha ka mandefitra any Addis Abbeba aloha no ho resy e!
Raha misy ny tezitra dia zonao izany, raha manontany ianao hoe dia tianao hotohizana izany izao fahasahiranam-be efa mianjady amin'ny vahoaka sy ny firenena izao dia valiako boraingina hoe: Izay nanomboka izao fahasahiranana izao no aoka hamarana azy amin'ny fanapahan- keviny. Raha nitady fifanarahana ianao, tsapanao ny lanjany koa mahaiza mandefitra bebe kokoa noho izay efa noleferinao. Tena biby saina tsy antra fo mihitsy izaho ity an! Tadidiko tsara ny fitenina mpitari-tolona iray izay tamin'ny volana febroary 2009 nanao hoe: "Tsy misy ny fifanarahana raha tsy miala aloha i...". Dia maninona moa mba isian'ny fitoviana tsara raha mba manao koa aho hoe: "Tsy misy ny fifanarahana raha tsy miala aloha i..." Tsy mampaninona ahy na dia ompanao aza aho satria tsy misy loatra angamba ny mahasahy mamoaka hevitra tahaka izao fa ny ahy ny hevitro dia hoe: "tsy ekeko ny hanomezana lesona ratsy ho an'ny taranako ka ho lasa maodely ny fanonganam-panjakana, tsy ekeko ny nanosihosena ny zoko na dia nisy aza ny tsy nety nataon'ny nofidiako, tsy ekeko hitondra fotsiny izao ny mpanongam-panjakana satria tsy tiako hisy zo ambony sy zo ambany eto. Efa vonona aho ny hizaka ny safidiko fa ianao aloha no asa!"
jentilisa 3 novambra 2009 amin'ny 01: 31