Ilay fanafoanana ny tsena isan-kerinandro

2021-04-22 @ 21:19 in Andavanandro

Ny mampaky teto dia mahafantatra fa izaho izay manoratra dia nitaky ny hanafoanana ny tsena mandehandeha ao Antananarivo. Efa tsy mifanaraka amin'ny vanim-potoana intsony io sady manelingelina tanteraka ny fifamoivoizana izay efa tery dia tery.

Amin'izao dia azo lazaina fa tontosa izany izay notakiako fa noho ny hamehana tsy hielezan'ny valan'aretina no nahatonga izany. Ny notakiako tamin'izany fotoana izany dia samy manana toeram-pivarotana raikitra ny mpivarotra ary amin'ny trano miorina mafy sy manana toeram-pidiovana ho azy tahaka ny amin'ny trano fonenana ihany izany.

Ny zavamisy amin'izao fotoana izao dia mikatona avokoa ny fivarotana rehetra amin'ny andro hanondroana ilay toerana ho tsena: talata rehefa eny Besarety, alarobia rehefa ao Andravoahangy, asabotsy rehefa isotry izay tonga hatrany ambodin'isotry. Ny mampalahelo amin'ilay izy amin'izao fotoana izao dia tsy misy mahazo misokatra na dia ireo manana fivarotana ao anaty trano aza, fa noho ny hamafisan-dohan'ny olona dia voatery mikatona hatramin'ireny aloha.

Manararaotra aho ny manoratra hoe tahaka ny ahoana ary ilay tanàna tsy misy tsena isan-kerinandro e? Toa gaga daholo ny olona fa milamina ilay tanàna? Hanao ahoana ary raha heverina amin'izay hoe foanana tanteraka ny tsena isan-kerinandro ho an'Antananarivo? Izay mpivarotra eo amin'ny toerana anaty fonenana ihany no avela hivarotra fa ny hafa rehetra kosa tsy maintsy mikaroka ny toerana hivarotany maharitra sy isan'andro?

Fa misy kosa ny toerana iray izay toa tsy mety ho voafehy dia ny manomboka amin'ny Building Ramaroson teo aloha mizotra mankany amin'ny Gauloise hatreny amin'ny farihin'i Behoririka. Iny no mariky ny fikorontanana ateraky ny fivarotana anaty arabe sy amin'ny sisindalana. Tsy maintsy masiaka satria fihoaram-pefy efa tsy azo ekena intsony ny amin'iny toerana iny.

Fepetra tokony horaisina amin'iny dia akatona tanteraka ao anatin'ny iray volana tahaka ny atao amin'ny tsena isan-kerinandro ny fivarotana rehetra ary mila fifanarahana vaovao amin'ny Kaominina fa tsy hanaiky ny hametrahana na ipetrahan'ny mpivarotra manoloana ny fivarotana fa mikatona tanteraka avy hatrany tsy misy fahafahana mivoha intsony raha vao tratra manaiky ny fisian'ny mpivarotra amoron-dalana eo anoloan'ny fivarotany. Tsotra no anton'izany: malaza fa ry zareo ihany no mpamatsy entana ireo mpivarotra eo anoloany ireo.

Dia ilazao ihany raha mahita hevitra hafa ianareo fa izay aloha ny hevitro hampisy filaminana ny fiainana sy ny fifamoivoizana ao Antananarivo renivohitra.

Vahoaka an'aliny eny an'arabe sy eny an-kianja anaty Covid-19

2020-08-05 @ 17:29 in Andavanandro

Gaga sy talanjona tanteraka aho nahita amin'ny sary ao amin'ny media sosialy, ary avy amin'ny kaontin'ny Filoha mihitsy araka ny noraisiko avy amin'ny namana fa dia vahoaka sesehena no eny an'arabe miandry ilay fanampiana ahitana vary amin'ny gony omen'ny fanjakana tarihan'ny filoham-pirenena mihitsy.


Ny anton'ny fahagagana dia avy amin'ilay famerana tsy hivorian'ny olona 50 isa akory nefa ireo vahoaka hita efa an'arivony. Omaly ohatra nahitako ny sary tao amin'ny Coliséum etsy Antsonjombe, mba misy ihany ny fanajana ilay iray metatra elanelana fa androany kosa tsy misy elanelana voahaja izany intsony.


Mety ho mahatonga ny hagagana ihany koa ny tsi-fanarahana intsony izay vaovao eto an-toerana ampitain'ireo haino-vaky-jery rehetra eto Madagasikara. Tsy maharaka intsony ny fironan'ny olona. Mahita aho fa amin'iny manamorona ny arabe rehetra iny ao Antananarivo sy ny manodidina ao dia feno dia feno olona tokoa ireo toerana nifampitaina an-tohotsofina fa hisy fizarana vary amin'ny gony araka ny arentirenty. 


Toa miverina indray ny fampielezankevitra ao anatin'izao fandrarana tsy hivorivoriana izao. Sary hitako no milaza fa mbola miandry ny fahatongavan'ny Filoha ny fizarana fanampiana ao amin'ny Kianja iray ao Ankadikely Ilafy raha efa dila ora iray mihoatra ny tsy fahazoana miantsena olona iray isa-tokantrano.


Fireharehana no asehon'ny sasany amin'izao fisian'ny fanampiana izao, izaho kosa mahita fa ankoatra ny ho fahasarotan'ny fiainana atsy ho atsy dia efa endriky ny fahasahiranan'ny olona no mahatonga izao firohotana tsy misy fanajana elanelana izao, ary ahiana mafy dia mafy ny fipoahana ara-tsosialy raha sanatria tsy mahazo izay nambara hozaraina ny olona.

Andavanandro 67ha, vakansy lehibe 2017

2017-09-12 @ 21:06 in Andavanandro

Andro maromaro lasa izay, voaendaka atoandrobenanahary ny zana-drahalahiko nanao vakansy tao 67ha, tanàna nahalehibe. Teo amin'ny Parking akaikin'ny CEG 67ha no nisian'izany. Olona iray manana fiara izay efa voaendaka teo amin'io toerana io ihany koa no nitondra azy tao amin'ny "chef quartier" ary ireo no nitondra azy tao an-trano hilaza fa voaendaka ilay zalahy. Efa maromaro ny olona nitaraina fa voaendaka teo amin'io faritra voalaza io nefa sady ao afovoan'ny fokontany 67ha avaratra andrefana izy io no misy mpiambina maromaro izay milaza ho samy manana ny faritra ambenany, io parking io.


Faritra tsy azo andehanana alina intsony ilay tanàna nahabe. Tsy mivondrona intsony ihany koa ny olona fa samy mizaka mangina izay mahazo azy ireo. Tantara sisa ilay firaisankina tao anaty savorovoron'ny taona 2009, fotoana nampivaralila tanteraka ilay firaisankina. Efa nisy ny fivoriana handraisana fepetra amin'io tsi-fandriampahalemana io saingy tsy nahare ny tohiny aho. Mitovy daholo ny andehanan'ny ahiahin'izay anontaniana fa tsy mandeha irery ireo. Lasa mitovy ihany koa ny tenenin'ny olona rehefa misy ny voaendaka... izy koa dia efa voaendaka tao an-tanàna ihany, ary efa fantatra ny tohin'ny raharaha rehefa amin'ny tranga tahaka ireny fa dia mivalona any avy hatrany ireny. Ny tsoa-kevitra iraisan'ny rehetra dia hoe afoizo any izay azony fa raha mitaky ny hanarahana ny finday iray manana IMEI ianao dia volabe tokony hahavidy finday hafa koa no takiana aminao ka anjaranao ny misafidy. Ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no afa-mibaiko ny orinasa ahafahana mitsongodia ny misy ilay finday nangalarina. Vokany: mahazo vahana tanteraka ny mpangalatra. Tranga ao Antananarivo amin'izao taona 2017 izao izany resahiko izany.

jentilisa 12 septambra 2017

Taratasy fifirana tsy levon'ny rano

2017-05-11 @ 20:40 in Andavanandro

Zavatra iainana saingy toa tsy misy mpiresaka nefa dia tena manimba ny tontolo iainana mihitsy, satria manentsina tsy araka ny tokony ho izy ny fantsona natokana izorany. Efa nahatsikaritra ihany aho fa tsy tonga saina loatra, lasa mivalombalona be tsy mety lasan'ny rano ny taratasy vao avy nifirana. Efa nametraka fanariana taratasy manokana mihitsy na dia ny orinasa aza, noheveriko ho an'ny taratasy tsy natokana ifirana saingy noho ny tsy fahatakarana na fahalaniany dia mampiasa taratasy hafa no anton'io fanariana taratasy io, hay diso tanteraka ny hevitro fa tena natao ho an'ny taratasy natokana ifirana mihitsy io fitaovana fanrariana taratasy eo anilan'ny toeram-pangerena mihaja io, mihaja amin'ny lafiny madio moa izany.

Ny mpivarotra mihitsy amin'izay no miteny hoe ireto taratasy fifirana ireto tsy levon'ny rano fa mora ny vidiny fa ity ihany no taratasy fifirana levon'ny rano saingy lafo dia lafo. Dia lasa ny saina, fa angaha tsy natao ho levon'ny rano ny taratasy fifirana no lasa maro dia maro karazana ireo tsy mety levon'ny rano ka lasa misy daba natokana ho azy mihitsy? Moa ve tsy lasa fitaka ho an'ny rehetra izany taratasy fifirana tsy levon'ny rano izany? Ary ny fanontaniana farany: Eto Madagasikara irery ve no misy ireto taratasy fifirana tsy levon'ny rano ireto sa be koa ireo firenena misy izany tranga izany? Ny Malagasy any am-pielezana ihany no afaka mamaly izany fanontaniako izany angamba...

Jentilisa 11 mey 2017

Delestazy sy Jirama

2016-12-15 @ 21:36 in Andavanandro

Raha tsy tena maty tanteraka ny delestazy nandritra ny frankofonia fa nisy naningatsingana ihany tany ambadimbadika tany, tsy Antananarivo renivohitra irery akory i Madagasikara ka hoe rehefa tsy nisy teto dia tsy nisy nanerana an'i Madagasikara. Nisy dia nisy hatrany ny delestazy tany amin'ireo tanàna atao hoe madinika mba manana ny lazany ihany, atao hoe lehibe toa kely loatra raha oharina amin'Antananarivo.

Niverina amin'ny heriny tanteraka indray io delestazy io ankehitriny, eto Antananarivo. Fantatra mazava fa misy izy any amin'ireo tanandehibe hafa, ary mbola mafy noho ny eto aza, saingy izay angamba ilay hoe izay akaiky vilany feno arina, ny akaiky ihany no fantatra fa ny kely tsy mba mamindro, tsy mahazo hafanana amin'ny alina sy ny hazavana tarafiny. Mahatsiaro ho kely ve ilay Malagasy ka tsy re taraina intsony afa-tsy ny eto Antananarivo? Tsy izay loatra intsony angamba fa efa mahay mionona amin'izay omena azy angamba ity: "fataliste" hoy ny tenin'ny mpanjanaka. Tsy maka lagy, izay ataon'ialahy eo!

Fa ny hany olana amiko dia diso fiantefa ny tsikera ataon'ny olona, tsy ny JIRAMA ry zareo no olana fa izay manome ny baiko hampisy io olana io an! Tsy hoe JIRAMA no miandraikitra mivantana ny fanomezana ny jiro sy ny rano eto Madagasikara dia izy irery no tompon'andraikitra amin'ny fahavoazantsika. Manana andraikitra daholo ny rehetra, izaho sy ianao mamaky io, raha eto Madagasikara ianao, ary ny fitondram-panjakana no lohany amin'izany. Maninona no vitsy ny miteny hoe ritra ny ranon'i Mantasoa? Maninona no vitsy ny miteny hoe latsaka ambany dia ambany ny haavon-dranon'Andekaleka ka tsy afaka manome herin-jiro feno intsony? Iza no tompon'ny fahadisoana raha tsy mety milatsaka ny orana amin'ny faritra sasany? Iza no mpandoro tanety? Fakafaka tsara iverenana henoina ny fandaharana rivotra androany 15 desambra tao amin'ny RDJ hahazoanao bebe kokoa ny tian-kolazaina.

Rehefa miditra politika sy fitadiavam-bola dia lesona azoko hatramin'ny taona 2009 ny hoe tsy ny hamahana ny olana no tanjona fa ny hahazoanao tombontsoa amin'izay tolokevitra naroso, ary vao maika aza manampy trotraka sy miteraka olana saro-bahana bebe kokoa izany tolo-kevitra izany ahafahanao mitsentsitra bebe kokoa izay azo tsentsefina ary ny orinasam-panjakana no lasibatra voalohany amin'izany. Ataoko tsipalotra fotsiny ny fanontaniana hoe fa maninona no tsy afa-mampiditra foto-drafitrasa manokana ny JIRAMA hamahany ny olana fa olon-kafa hatrany no tadiavina sy atao laharam-pahamehana amin'ny fampanofana milina mpameloha herin'aritra, olon-kafa tsy mahalala hafa tsy ny tombontsoany manokana, ary ny mpanome alalana amin'ny fampanofana zavatra lafovidy tsy ho takatra kosa kosa mihevitra fa mahazo ampaham-bola ho azy manokana ihany koa fa tsy misy fitsinjovana velively ny orinasa sy ny mpiara-belona?

Ka raha amin'izao fotoana izao no hitetateta hoe omeo ny tsy miankina io orinasa io hotantaniny dia efa miharihary sahady hoe iza ireo vondron'olona hahazo izany fitantanana izany, fa izaho tsy hilaza aminareo, satria ireo manao izay hahakenda an'i JIRAMA ihany ireo mitilitily miandry mahazo sy te-hanao rapa-dango sy ampihimamba io tokony ho filàna fototry ny Malagasy iray manontolo io. Tahaka ny taribin'ny PTT taloha ihany e! tsy tokony ho orinasa tsy miankina tokana no hahazo ilay fotodrafitrasam-panjakana teo aloha fa tokony hisitraka izany avokoa ireo miasa ho amin'ny fifandraisan-davitra, saingy efa nisy moa ny hafetsifetsena dia na ny tany sy zavatra hafa tsy tokony ho azy aza lazaina fa tao anatin'ny fifanarahana ho tafiditra tamin'ny nividianana azy avokoa.

Lava sahady izay voasoratra nefa zavatra hafa, natao nandritra ny fotoana nahafaty ny jiro, no tena saiky notantaraina fa ataoko amin'ny lahatsoratra hafa eo ihany angamba izany.

Jentilisa, Alakamisy 15 desambra 2016

Fanararaotana toe-draharaha!

2016-11-12 @ 08:25 in Andavanandro

Vaovao manerantany tamin'ity herinandro ity ny fifidianana amerikana sy ny nahalany an'i Donald Trump izay lazaina fa tsy nampoizina saingy ho an'ny manampahaizana sy ny fampitam-baovao angamba izany, fa fanararaotana toe-draharaha kosa ny tetika fampanginana na fanakanana ankolaka tsy hanaovan'ny Ben'ny Tanànan'Antananarivo intsony ny asam-panadiovana eto amin'ny renivohitr'i Madagasikara. Izaho izay anisan'ny nifidy azy kosa tsy manaiky izany tetika maloto itadiavana izay hanjakan'ny saritaka sy ny gaboraraka eto amin'ny tanàna itoerako izany. Antony voalohany nifidianako azy io fanadiovana io. Ianareo mpamaky aza moa efa mahafantatra ny hevitro hoe aleo esorina eto Antananarivo sy atao lavitra azy amin'izay izany tsena ankalamanjana izany.

Tsy azo lavina fa tsy maintsy misy ny fibolisarana amin'izany asam-panadiovana izany, sady tsy vitsy ny fihantsiana avy amin'ireo tsy tia manara-dalàna, saingy tsy izany kosa no amoahana miaramila iray toby hanaovana fahirano ny lapan'ny tanàna sy hitakiana ny amoahana miaramila iray sy ny vadiny bevohoka nifampigidraka tamin'ny polisy kaominaly teny am-pivarotana amoron-dalana na anaty lalana. Efa mihabetsaka rahateo no nihevitra fa velam-pandrika nataon'ny fitondrana foibe io toe-javatra io matoa tsy ampy adiny iray taorian'ny fisamborana dia efa tonga nitaky ny famoahana ny miaramila namany nivarotra amoron-dalana sy nihevi-tena ho mafy sy mahay miady noho ny polisy kaominaly, ireo miaramila misatro-mena tarihin'ny lefitra faharoan'ny Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika misalotra ny grady Jeneraly izany.

Etsy ankilan'izany dia mody fanina tamin'ny fisian'ny fitakiana famoahana ny namany ny Jeneraly minisitry ny fiarovana ka milaza araka ny loharanom-baovao avy amin'ny gazety iray eto an-toerana fa hampanjaka ny filaminana no nahatongavan'ireo miaramila ireo ary ao anatin'ny asany mihitsy iny fanafihana iny, mba tsy hisy ihany koa ny fihoaram-pefy avy amin'olon-tsotra mety hanafika ny lapan'ny tanàna ary ny hiaro ny lapan'ny tanàna no nahatongavan'ireo teny... fa angaha tsy ny miaramila no manafika ny lapan'ny tanàna?... dia mieboebo moa hoe tsy nisy naratra na maty.

Efa mihabetsaka moa no mihevitra fa tetika hanaisorana ny Ben'ny Tanàna no tanjona farany tamin'ireny fihetsika ireny, saingy maro loatra ireo mpankasitraka ny asam-panadiovana dia ny fandemena ireo mpanao ny asam-panadiovana voalohany, amin'ny fitondrana ny polisy kaominaly eny amin'ny fitsarana no atao aloha mba hihemoran'ny kaominina. Izahay kosa mitaky hoe aza mihemotra intsony fa tohizo hatramin'ny farany. "manara-dalàna loatra" ianareo ka manaiky itondrana ny polisy kaominaly hohadihadian'ny zandary fa toa tadiavina tsy asiana tohiny kosa ny fanafihana lapa nataon'ny miaramila? Akaiky ity ny faran'ny taona ka tian'ny sasany tahaka ilay miseho ho mafy sy tsara mpiaro avy amin'ny lehibeny nampaniraka ny namany "hanavotra" azy ny hanomezana alalana ny fanaovana gaboraraka hampandeha ny bizina eny amin'ny lalan'Antananarivo. Koa asakasaky ny kaominina fa eto ny kihon-dalana ijerenay nifidy anareo izay fanapahan-kevitrareo. Ho ekenareo ve ilay gaboraraka amin'ny fametrahana ny tsenan'ny noely eny an'arabe?


Asabotsy 12 novambra 2016

Misy ny vahaolana hafa ankoatra ny fanenjehana mpivarotra amoron-dalana

2016-09-24 @ 19:58 in Andavanandro

Efa zary fiainana isan'andro ny fifanenjehana eo amin'ny mpivarotra amoron-dalana sy ny mpiasan'ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Efa nandeha moa tany alohaloha tany hoe ho hita eo ihany izay reraka aloha eo amin'izy roa tonta. Ny azo lazaina kosa, raha amin'ny endriny toy izao dia tsy hahafoana ny mpivarotra amoron-dalana mihitsy ny zavamisy ankehitriny. Ho sasa-poana ny Kaominina, indrindra fa efa misy mpampirisika ihany koa ny mpivarota amoron-dalana, ary misy mpiray tsikombakomba amin'ny sasany amin'ireo mpivarotra amoron-dalana ireo ihany koa ny  sasantsasany amin'ny mpandrava ny varotra ataony.

Eo amin'ny sokajin'olona ivelan-dry zareo dia mizara roa ihany koa ny fisainana. Ny sokajy voalohany dia ireo efa resy lahatra hatry ny ela fa tsy handroso sy tsy hivoatra mihitsy ny tanàna raha tsy miala ireo mpivarotra amoron-dalana ireo. Ny sokajy faharoa kosa dia ireo be fitserana fa tena tsy rariny kosa ny atao amin'ny mpivarotra amoron-dalana fa mba mamelom-bady aman-janaka ihany koa izy ireo. Sabatra roa lela noho izany no eo am-pelantanan-dRtoa Ben'ny Tanàna Rakotonirainy Lalao. Maro kokoa ireo mankasitraka ny ataony amin'ny tsy-fandeferana manoloana ny lalàna nefa mahay vava loatra ireo mpifanandrina aminy ka hainy ny mamadika io hetsika tsara io ho lasa fieritreretana fa fanenjehana sy famonoana ny 'mahantra' no ataony fa tsy misy fifampitsinjovana mihitsy. Manana haino aman-jery daholo ireo mpanenjika azy fa izy kosa dia lalan-tokana ihany no azony ampitana ny seraserany dia ao amin'ny media sosialy. Efa hery io saingy tsy ampy velively noho ny tsy mbola fahafehezan'ny rehetra ireo fitaovana ireo.

Inona ary no atao? Tohizana amin'izao endriny izao ve ilay asam-panadiovana sa tadiavina ihany koa ny fomba ambadika ahafahana manongotra ihany koa ireo mpivarotra amoron-dalana ireo? Tsara noho izany ny mijery ireo mpamatsy entana ireo mpivarotra ireo sy mitady ny fomba hanasaziana azy ireo fa tsy ireto olona hitamaso ireto ihany no atao mihamafy fo isan'andro.

Mba atao fakan-tahaka ny nataon'ny Filohan'ny Tetezamita fahaefatra niaraka tamin'ny lehiben'ny Madarail, sady mpinamana rahateo ry zareo ireo, nanaisotra amin'ny fomba mihaja ny kianja filalaovana baolina lavalava hiala teo Antanimena ho lasa any Andohatapenaka. Ilay tany malalaka teny amin'ny anaran'ireo sampan'orinasan-dRavalomanana Marc ihany no nakana hanaovana ilay lazaina ho kianja manara-penitra, nomena anarana manasohaso, mba hahafinaritra ny mpijery sy andresena lahatra azy ireo fa efa tery ny eo Antanimena ka eny indray no hanaovana ny lalao isaky ny faran'ny herinandro. Nahomby ny famindrana satria tsy narary fo tamin'ny famindran-toerana ny mpankasitraka baolina lavalava nefa voaaisotra tanteraka tsy hilalaovana baolina lavalava intsony ny kianjan'ny Malacam.

Voalohany, ataovy ao an-tsaina fa 'tsy mahantra' velively ireo mpivarotra amoron-dalana ireo. Izay mahafantatra ahy dia mahalala fa efa niasa teny Soarano-Ambodifilao aho, ary tsy vitsy amin'ireo mpivarotra ireo, indrindra fa ireo mihoatra ny efa-taona no niasana teny no mahalala ahy na ny endriko farafaharatsiny. Mahafantatra ny sasany amin'izy ireo ihany koa aho ary misy ny efa niresaka tamiko ny isan'ny trano natsangany tamin'ny fivarotana amoron-dalana teny amin'io faritra io. Tsy mino ianareo fa tsy latsaka ny telo izany trano izany sady mijoalajoala avokoa fa tsy hoe trano tsy misy rihana na trano zara fa vita. Nahita ny fitomboan'isan'izy ireo aho ary nahatsikaritra fa ry zareo efa mivarotra eo mihitsy no miantso ny namany avy any ambanivohitra na faritra hafa hanampy azy ireo sy hiara-hihary amin'izy ireo.

Raha izay tsikaritro izay no iaingana dia tsy ireo hitanao maso ireo ihany no mahazo volabe fa mitavana ihany koa ireo mpamatsy entana azy ireo, samy tsy mandoa hetra ary azo ahiahiana fa tsy nandoavana fadin-tseranana koa ny entana nampidirina matoa tsy voakaonty, tsy voatery ho entana avy any amin'ny faritra afa-kaba naodina noho izany ireo entana amidy ireo fa betsaka ny nohafarana. Sady tsy mandoa hetra izany ireo mpivarotra ireo no azo ahiahiana ho tsy mandoa hetra ihany koa ny mpamatsy entana azy ireo.

Ka raha te-hanafoana haingana ny mpivarotra amoron-dalana dia izay atao amin'ireo mpamatsy entana azy ireo eritreretina sy jerena ny fandikan-dalàna ataony. Azo atao ihany koa ny mametraka lalàna manasazy ny mpividy entana amin'ny mpivarotra amoron-dalana ho manao tsikombakomba amin'ny fanakorontanana ny filaminan'ny tanàna. Manjaka loatra ny gaboraraka ka tsy maintsy misy ny tanjona lavitra ezaka amin'ny alalan'ny fanabeazana, saingy mbola fanamby hafa ihany koa izany fa ireo mpamatsy sy mpividy izao no tanjona fohy ezaka itadiavam-bahaolana.

24 septambra 2016

Hetsiky ny Olompirenena: Iray mamoa zato (tantara an-tsary)

2016-05-07 @ 14:46 in Andavanandro

Zoma maraimbe 29 avrily 2016, nisy lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona teny amin'ny vahilavan'Andohatapenaka. Fiara fitaterana roa no nifandona tamin'izany loza izany. Noheverina fa mba hitandrina ny mpitondra fiara fitaterana raha mandre izany loza izany kanjo tsy izay no nitranga. Zoma harivan'io ihany, nahafatesana zaza maro indray tamin'ny lalampirenena fahaefatra, teny Mahitsy. Mpianatra 6 tamin'ny sekoly iray eny Ambohimanarina no maty tamin'izany loza izany, fiara fitaterana nivarina tany amin'ny hantsana indray ity loza faharoa ity. 12 ny isan'ny maty tamin'ireo loza notononina ireo ary zaza 7 na 8 taona ny enina maty tamin'ireo loza ireo.

Tohina avokoa izay nandre, indrindra fa tia zanaka ny Malagasy ary maro ireo ray aman-dreny no tsy mahazaka nandre ilay vaovao fahafatesan-jaza satria mieritreritra ny zanany avy hatrany. Tao anatin'izany fanafintohinana izany no namoaka sata tao amin'ny Facebook tao amin'ny vondrona Fifamoivoizana eto Madagasikara (FEM) ny mpiserasera iray antsoina hoe Serge Rabetrano.

Ho eo Ambohijatovo, afovoan-tanànan'Antananarivo, hiakanjo mainty sy hitondra sora-baventy izy, hanaitra ny tompon'andraikitra handray fepetra faran'izay henjana momba ireo taxibe ny Asabotsy amin'ny sivy maraina ary nanentana ny hafa hanatevin-daharana.

Tonga ny Asabotsy tamin'ny sivy ora, efa ny mpitandro ny filaminana misahana ny fihetsiketsehana sy ny rotaka no tonga aloha teo an-toerana, ho avy ve izy ary hijoro? Ho sahy hitana ny teniny manoloana ireo EMMO-Reg ve izy? Tsy ela anefa fa indreo izy nijoro ampita anoloan'ny tsangambaton'ny maherifo. Nahasahy nijoro izy! Hipetraka ho tantara sahady ny anarany, olon-tsotra izy ary vao ora sivy izay no nanoratany sata tao amin'ny Facebook.

Nanao ahoana ny isan'ny mpanaraka?

Na dia nahazo sitraka mihoatra ny arivo aza ny sata nosoratany dia tsy ampy folo akory ireo nahasahy sehatra fa matahotra an-dry zalahy be baoty avokoa. Fohy loatra ny fotoana niomanana, hoy ny tsikera fa asio fanindroany.

Tapakevitra ihany na dia efa nihaodihaody aza ny bebasy

Tsy nisy miaramila na zandary nihazakazaka avy hatrany hisambotra kay. Fa ahoana?

Dia ry zareo irery ve no ho eo hatramin'ny farany?

Indry ny mpakasary iray nilaza fa hanatevindaharana izy.

Indro koa ny fianakaviana kely iray fa nanatevin-daharana. Efa nilaza ny ho avy mihitsy koa i Madama kely.

Hatreo ny sary azoko tamin'ity andro ity fa tsy maintsy nanohy ny asako aho. Nisy ny lahatsary noraisina fa nisy fahasimbana ilay izy (tsy nety navoaka tao amin'ny fakantsary hatramin'izao!) izay niresadresahana tamin'ny tompon-kevitra.

Tapaka indray fa amin'ny alakamisy ny fotoana manaraka, andro tsy iasana io ary atao avokoa ny taratasy fangatahana ilaina hanaovana diabe mangina. Alahady tamin'ny roa ka hatramin'ny telo ny fotoana omena ireo hanao sonia fangatahana eny amin'ny ambaratongam-pahefana ary eny Ankorondrano akaikin'ny fiangonana Jesosy Mamonjy no toerana ihaonana amin'izany.

Alatsinainy maraina, radio tsy miankina iray, RDJ manana ny fandaharana rivotra no nandrenesana avy amin'ny mpanentana iray sady mpanao hatsikana, Eric, ny hisian'ny hetsika diabe hotontosaina ny alakamisy. Tsy mbola vita ny fangatahana tamin'izany ora sy andro izany. Nandrenesana kely hatrany na ny talata na ny alarobia momba ilay hetsika.

Mpanentana iray fantatra amin'ny hoe Goth nilaza fa hiainga avy eny Talatamaty handeha an-tongotra izy no hizotra ho eny Analakely birao misy ny RDJ, hanentana ireo taxibe, ary hiaraka amin'ny diabe koa ny alakamisy amin'ny iray ora folakandro. Ela ny ela, tonga ihany ilay fotoana. Ny azo lazaina dia iray izy no niainga fa nihoatra ny zato kosa no nanao  ilay hetsika tamin'ny andron'ny alakmisy andro fiakarana 5 mey 2016. Aleo ny sary sy ny lahatsary no hilaza azy.

Ireo nanentana tamin'ny radio tsy miankina iray.

Fantatry ny mpanao gazety avy hatrany ilay nitarika ny hetsika tamin'ny Asabotsy heriny.

Ireo vitsy mpikambana ao amin'ny Wake Up Madagasikara, fikambanana hafa mpanao hetsik'olompirenena tahaka izao ihany koa.

Ireo fiara hanaraka ny diabe

Teo amin'ny toerana nifamotoana alakamisy

Fianakaviana iray anisan'ny nana-manjò tamin'ny lozam-pifamoivoizana

Zoro hafa ijerena ireo vonona ny hanao diabe

Zoro hafa ijerena ireo vonona ny hanao diabe

Nisy fotoana niaraka nitolona politika, dia nisy fotoana ihany koa niaraka teny amin'ny hetsiky ny Wake Up Madagascar noho ny resaka angovo. Dia tafahoana teto indray!

Skoto vonona ny hanao diabe, fa aiza ny hafa?

Mpanentana sady mpanao hatsikana roa, Global Voices roa, Wake Up ny hafa...

Mpaka sary alaina sary maka zoro mbola ho hitantsika angamba

Miaraka amin'ny politisiana iray

Ireo mpitarika ny hetsika

Zokiolona iray nanolo-tena hitari-bavaka mialoha ny hiaingana

Ankohonana iray nivonona ny hanao diabe

Niainga ny Diabe

Lasa izao!

Fa mba iza izany no lasa tompon'ity tokotany malalaka be voafefy ity? Azafady fa Hors sujet!

Lahatsary somary mamehy ny fizotran'ny diabe. Nahagaga ny mpamangy ny nandre hira tany ambadika tany. Toa hira fihantsiana. Tsy azo natsahatra kely ve? Sao dia manody?

 

Efa tsy izaho intsony no naka ny sary noho ny asa tsy maintsy tanterahina indray!

Ataoko fa nisy ireo nanatevin-daharana teny antenatenan-dalana.

Nifandamina kely indray aloha alohan'ny hahatongavana.

Ireo manamanjò

 

Izay sy izay ny fandehany!

Jentilisa 7 mey 2016

Fifamoivoizana: Inona ny hetsika tokony atao?

2016-04-29 @ 18:06 in Andavanandro

Mimenomenona daholo ianareo tamin'ilay loza roa misesy tamin'ny ilany andrefan'ny tanànan'Antananarivo nitranga androany 29 avrily 2016 fa inona ny fepetra tokony raisin'ny tsirairay manoloana izany rehetra izany? Aza miandry ny hafa sy ny heverinao ho tompon'andraikitra hafa any fa izaho sy ianao aloha no tokony anontaniana amin'ny maha-olompirenena anao.

Vao nanoratra aho tamin'ny maraina ary dia io resaka gaboraraka io indrindra no noresahiko, ary heverin-dry zareo fa zavatra norma mihitsy ny zavatra ataon-dry zareo mato nilefitra ny fitondrana. Aza miandry izany fitondram-panjakana izany fa efa fahazarana eto an-tanàna ny mihenjana tapabolana dia tsy hita intsony ny tohiny avy eo fa very an-javony.

Rehefa namaky ireo fanehoan-kevitra isan-karazany aho dia hita ihany fa tena manao toetran-jiolahimboto mihitsy, hono, ny saofera sasantsasany. Gaga ihany koa ny betsaka fa mbola tanora kely daholo koa ny ankamaroan'ireo saoferan'ny fiara fitaterana. Mimenomenona ny maro fa tsy dia nahita fianarana ireo mitondra fiara sy mitondra ny hafa, hany ka tsy mahatsapa ny adidy mavesatra amin'ireo fitondrana olona ireo. Be ihany koa ireo saofera no misotrosotro satria mitondra mpitsangatsagana, hany ka miseho ho mafibe sy tsy manaiky gisitra daholo avy eo.

Fa talohan'ireo loza ireo iza no nahasahy niteny, tena nisy tokoa ny niteny fa voavaly boraingina, fa betsaka amin'ny mpandeha no tsy miteny manampy ny mpandeha nahasahy niteny voalohany rehefa mirimorimo ny mpamily. Fa raha miara-miteny sy mandrahona ny mpamily ny mpandeha rehetra mbola hizizotra ve ny mpamily? Efa manana porofo azo lazaina amin'ny mpamily ianareo mpandeha izao, efa nisy loza noho ny fandehanana mafy ve ny maraina dia mbola midrikina mandeha mafy ihany ianareo? Sa ianareo no tsy mety maty? Mety tsy ho faty ianareo fa izahay kosa matahotra na dia ny haratra aza satria vidin-dafo ny fahasalamana eto amin'ny tanàna amin'izao fotoana izao. Aza miteny hoe tsy maka lagy amin'izany aho fa tokony haka lagy amin'ny toe-javatra tahaka izao mihitsy ny rehetra... indrindra fa manan-janaka ianao ka rehefa misy ny loza tahaka itony dia any amin'ny zanakao avy hatrany ny sainao voalohany. Dia mba eritrereto fa mba samy mieritreritra ny zanany avokoa isika rehetra izao.

Tokony hisy ny hetsika tsy mila alalana amin'ny toe-javatra tahaka izao saingy izay tian'ny lehibe ihany io. Tokony hisy ny hetsik'olompirenena fampahafantarana amin'ny saofera fa mitondra ain'olombelona izy ireo. Tokony hahay hiray hina ny olom-pirenena mandeha manao hetsika hita maso amin'ny tsy fankasitrahana izao toe-javatra izao hoe niara-nitokona ry zareo mpamily dia nahazo rariny tamin'ny fanafoanana ny CIR. Dia mba aseho azy ireo ihany koa fa mahay mivondrona ny mpandeha ka tsy tokony hanaikinaiky ny resaka hoe hatreo an'anona ihany fa tonga dia valiana hoe tsy izay no andraikitrareo nahazoanareo hampiasa io zotra io.

Adino: raha nanoratra aho tamin'ny maraina dia tsy voasoratro tao ny hoe tamin'ny fitokonana nataon'ny fiara fitaterana ny fandraisana andraikitra tokony nataon'ny bebasy dia ny nanolotra vonjimaika fiarabe hitaterana ny vahoaka ho any amin'ny asany na hodiana fa tsy nijery afomanga tsy akory no nandehanan'ireo taty an-drenivohitra fa nanao ny adidiny izay mipaka ihany any amin'ny firenena na dia fitadiavana aza no nataony.

Dia soratra fanindroany androany 29 avrily 2016 sahady izy ity.

Fifamoivoizana: Ny gaboraraka indray no rariny?

2016-04-29 @ 08:28 in Andavanandro

Mafampana ny toe-draharaha noho ny fahasorenam-bahoaka mihamipoitra tsikelikely. Mivoaka ihany koa ny nitaizana azy izay mahamenatra, fa tsy fantany intsony hoe mahamenatra anie izany zavatra takiany izany. Toa lasa izy indray no manana ny rariny satria izy no avo vava. Resaka fitateram-bahoaka no lazaiko eto amin'izany.

Akory ny hagagana tamin'ny alatsinainy 25 avrily 2016 raha nisy fiara fitaterana maromaro nitokona tamin'ny ilany atsimo sy andrefan'Antananarivo. Ny andro nitokonana no mitovy fa toa samy manana ny olany, nefa toa iray ihany no fanazavana mipaka eny amin'ny vahoaka. Vao maraina dia tsy nisy hita ny nalehan-dry zalahy. Ny zotra mampitohy an'Ampitatafika amin'Analakely no hitako tsy nisy niasa tamin'io maraina io. Ny fototry ny olana re tamin'ny tsahotsahon'ny olona, izay tsy maintsy inoako hoy ny jeneraly zandary mpifehy ny boriborintanin'Antananarivo izay, dia ny fanerena ny fiara fitateram-bahoaka rehetra avy any andrefana, na avy aty afovoan-tanana hitodi-doha hiverina eo Anosizato Andrefana eo: tsy maintsy mandeha any amin'ny lalana rarivato mizotra mankany amin'ny Sam Run iny avokoa ny fiara fitaterana rehetra fa tsy mahazo tonga dia manaraka ny lalam-pirenena voalohany, ka eo amin'ny tobin-dasantsy eo Anosizato Andrefana ihany izany lalana izany no mivoaka.



Ny fiara rehetra avy any andrefana, na avy any Ampitatafika na avy any Ambatomirahavavy dia lazaina fa tsy maintsy manaraka io lalana io avokoa na dia tsy misy olona hiala sy horaisina mihitsy aza. Ny zandary mihitsy no manakana ny fiara fitateram-bahoaka mitady hidify izay tondro izay, ary araka ny tsaho sy ny resaka ataon'ny olona dia teren'ny ao amin'ny kaominina ireo zandary ireo hampandoa sazy hatramin'ny 90.000 ariary izay fiara mitady tsy hanaiky izay fepetra izay. Eo amin'ny sary dia ilay tsipika volontany io izany lalana tsy maintsy andehanana izany. Ny fiviliana menamena eo ankavia no mankao amin'ilay toera-pialamboly Sam Run, ary ny tondro mena eo ankavanana ambany kosa no lalana mankany Isoavina, hivoaka Tanjombato koa, raha te-hiala fitohanan'ny fiara.

Izay ny amin'iny fa ny fitokonana tany Andoharanofotsy no nampiaiky. Nitaky ny fahazoana miodina an-tenatenan-dalana tsy voatery ho tonga eny amin'ny terminus ireo mpitatitra ireo. Tany ireo saofera ireo no tena nitabataba fa ny tary Ampitatafika tsy hita fotsiny izao ry zalahy sy ny fiara. Notakian-dry zalahy ihany koa ny hanafoanana ny CIR izay tsy azo ifanarahana, hoy ry zalahy. Inona ny dikan'ilay hoe tsy azo ifanarahana? Tsy azo hanaovana risoriso andoavana ekôlazy ve? sa inona? Ary ny tena nahagaga dia nekena ilay izy... Izany hoe manana ny rariny ve ry zalahy? Inona ilay rariny amin'izay fotoana izay? Na dia tany amin'ny toeran-kafa aza ilay lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona izay samy fiara fitateram-bahoaka no nifandona dia vokatry ny gaboraraka nitaizana ireo saofera ireo amin'ny ekôlazy isa-maraina izany, reheefa voaloa ny ekôlazy dia afa-manao izay tiany atao amin'ny vodihazo sy ny bahambahana sy ny karazam-pahadisoana mety ho tsy voatanisanao intsony ry zareo. Dia soratana aloha izay zavamisy izany.

29 avrily 2016

 

Tahiry mety hamelezana anareo itony ry Telecom Global Net an!

2015-11-22 @ 12:36 in Andavanandro

Alina indroa misesy aho izay no tratran'ny tsy misy fifandraisana iraisampirenena tampoka ny aterineto tao amin'ny Telma-Moov. Teo ampanaovan-javatra mihitsy anefa tamin'izany fotoana izany, ary mila raketina izay vita fa raha tsy izany dia very maina izay natao. Ny Alin'ny Zoma hifoha Asabotsy aho naka ny tsofoka orange fanaoko "backup" dia natao ny fandraketana. Ny alin'ny Asabotsy nifoha alahady kosa tsy tohako intsony ka dia nopihana izay sary azo atao ary noraisina ny lahatsary hanaporofoana ny tsy fetezana.


Fanamarihana: Izaho dia mihevitra fa matoa mahazo tsara ny Moov.mg sy ny Orange.mg dia afaka miserasera tsara ny samy eto Madagasikara, fa vantany vao miditra iraisampirenena, indrindra fa ny Facebook ohatra, dia misy marika anamarihana ihany fa tokony handeha ilay fifandraisana fa iniana tapahina ilay izy satria mety misy mampiasa azy amin-javatra hafa any amin'ny sehatra ahafahana manao izany NA mandeha ny "tsy fahazoana miserasera amin'ny aterineto" manomboka amin'ny 11 ora alina any ho any ohatra, saingy tsy ambara ampahibemaso izany. Mihodikodina miloko manga matevina fotsiny manko ilay tsipìka miendrika kodiarana ankilan'ny toeran'ny rohy io nefa tsy mivoaka ny tranonkala, heveriko fa mahita ny lohamilina misy ny rakitahirin'ny Facebook ny fifandraisana avy aty amiko fa sivanina tsy ho tonga aty amiko kosa ny setriny ahafahako miditra amin'ny Facebook ohatra. Hafa manko raha ilay mitady tsy mety mahita milaza fahatapahana tanteraka iny.

Dia hotehiriziko io fa ho hitako indray rahalina raha mitovy amin'ny indroa alina nisesy teo ny zavamisy. Efa miandry fotsiny aho io izany!


Jentilisa 22 novambra 2015

Paris no voa, ny Malagasy no marary fo, mifandramatra be tokoa!

2015-11-15 @ 21:00 in Andavanandro

Kihondalana tsy tokony avela handalo foana eto amin'ny amin'ny tontolon'ny serasera ny faran'ny herinandron'ny 13-14-15 novambra 2015. Tratran'ny fanafihan'ny mpampihorohoro indray i Paris, ary soa fa tsy tafiditra tao anatin'ny kianjan'ny Stade de France ireo mpanao vivery ny ainy. Saika handefa mivantana ny fanafihan-dry zareo nandritra ny lalao nifanaovan'i Frantsa sy i Alemaina niafara tamin'ny fandresen'i Frantsa tamin'ny isa 2 noho ny 0 ry zareo, tahaka ny tamin'ny 11 septambra 2001 tany New York, fa tsy tontosa izany. Nivadika tanteraka manko ny toe-javatra raha sanatria tontosa izany ary mety saritaka tsy nifankahitana no niseho teo amin'ny mpijery.

Nivarahontsana ny maro raha nandre fa nihoatra ny 128 ny isan'ny maty tamin'ny fanafihana nitranga tamin'ireo toerana vitsivitsy tao Parisy. Haingana dia haingana ny hafatra avy amin'ireo mpitondra lehibe manerana izao tontolo izao ho fiaraha-miory ary nivoaka ny "SafetyCheck" Facebook narahina fahafahana manova ny sarintavanao hiravaka ny sainam-pirenena frantsay ao anatiny fotoana voafetra. Niteraka fifanasana vangy teo amin'ny Malagasy teto an-toerana sy tany ampitan-dranomasina anefa io fihetsika nataon'ny Facebook io. Tsy mbola nahare ny akony tany amin'izay firenena andalam-pandrosoana hafa aho fa ny an'ny Malagasy aloha no nahitana fifamaliana sy fanesorana ho namana Facebook, ary nilaza fa izay ry zareo vao mahalala ny tena namana na mahalala ny tena toetran'ireo namana virtoaly ao amin'ny Facebook.

Vanim-potoana nanamarika ny tontolo virtoaly malagasy noho izany io fotoana io ary tsy mba tamin'ny lafiny tsara fa tamin'ny lafiny ratsy ary ahitana taratra ihany koa hoe hatraiza ny fandraisan'ny Malagasy ny zavatra iray mitranga. Manana fifamatorana ara-tantara akaiky loatra manko ny Malagasy sy ny Frantsay, maro ny Malagasy no efa manana havana Frantsay ary efa an'aliny rahateo ny Malagasy no mizaka ny zom-pirenena Frantsay, an'hetsiny no efa nianatra tany Frantsa na firenena miteny frantsay any ampitan-dranomasina, ary an-tapitrisany ny Malagasy no efa nianatra tamin'ny teny Frantsay satria amin'ny teny frantsay no ampianarana ny zaza sy ny tanora malagasy mandraka ankehitriny. Samy manana ny rariny ho azy ary samy mihevitra ho ambony fisainana kokoa na ireo mpanandratra ny sarintavany voaravaka sainam-pirenena frantsay na ireo mitsikera ny fanaovana izany ho famadihana ny tanindrazana (Madagasikara).

Filazana soritr'aretina eo amin'ny Malagasy anefa ireo fifandirana sy fifanakianana sy fifanasana vangy teo amin'ny samy Malagasy ireo, ary tsorina fa na izaho koa aza tsy nanaiky gisitra tamin'ny fifandresen-dahatra. Tsy ho ary voaangona avokoa ireo teny sy fomba filaza nitranga tamin'ity faran'ny herinandro ity fa rehefa any aoriandriana any samy mitsakotsako sy mieritreritra hoe ahoana tokoa moa ny hevitro sy ny nolazaiko tamin'ireo mpiserasera tao amin'ny Facebook?


Jentilisa 15 novambra 2015 amin'ny 11 ora alina

 

 

#RaiseYourVoice! Asandrato ny feonao! Asa fanandevozana eto Madagasikara

2015-10-15 @ 23:23 in Andavanandro

Ny andron'ny 16 oktobra indray no "Andro Ikatrohan'ny Blaogy" na antsoina hoe "Blog Action Day" #BAD2015 araka ny ahafantaran'ny maro azy eo amin'ny sehatra iraisampirenena. Raha nangina am-bolana vitsy ny blaogiko teto dia fotoana izao ihetsehany indray ka amoahany izay hevitra mpanohariana ato amiko ato.

Ny ankamaroan'ny olona eto Madagasikara raha mitaraina dia toa mivantana any amin'ny fitondram-panjakana avy hatrany ny fitarainana rehetra ary toa tsy dia manaraka an-tanantohatra ilay izy fa avy hatrany dia any am-bovonana araka ny fiteny. Rehefa jerena anefa dia ireo ao antenantenany no tena mihoa-pahefana na manao ny tsy mety sy ireo izay mihevi-tena fa manana mpitondra ambony hiaro azy na dia tsy ao anatin'ny an-tanantohatry ny fitantanan-draharaha aza.

Izaho kosa rehefa nandia izay fotoana lava niainana izay, dia mahatsapa fa na dia manana ny andraikiny tokoa aza ny mpitondra fanjakana dia ireo rafitra tsy miankina toy ny eny an-tsekoly na ny eny amin'ny birao na ozinina na eny amin'ny tsena (fifanakalozana ara-barotra) ihany no tarafin'ny mpitondra fanjakana. Izay tsy rariny rehetra heverintsika fa itarainantsika amin'ny mpitondra fanjakana dia tsy rariny ataon'ireo ambaratonga tanisaintsika ireo, saingy sarotra ny itsikerana azy sady mety hahavoaroaka ihany koa nefa mety hihatra amin'ny ain-dehibe raha voaroaka avy any amin'ireny sehatra ireny ka aleo mipirimpirina. Noho ny tsy fihetsehan'ny fitondram-panjakana hiaro ny olom-pirenena ao aminy dia lasa manjakazaka manao izay danin'ny kibony ireny sehatra tsy azo tsikeraina ireny, ary rehefa manao ny tsy rariny ireny sehatra ireny dia ny mpitondra fanjakana ihany no mahazo tsiny ho mpiray tsikombakomba amin'ny fanaovana ny tsy rariny amin'ireo mpiasa... aza mba mpiasa aman'olona ihany...

Satria manko tsy manambola ny fanjakana ary mitady fatratra izay fomba hahazoan'ny olona asa sady tsy manelingelina ny seza fiandrianany dia avela gaboraraka ny lalàna fiahiana mahaolona ireo olona fehezin'ny mihevi-tena ho tompon'ny lalàna rehefa tsy mampihatra ny lalàna tokony ampiharina amin'ireny sokajin'olona  iondrehan'ny mpiasa ireny ny mpitondra fanjakana. Ny loza aza dia misy ireo heverina ho solontenam-panjakana hanelanelana eo amin'ny mpiasa sy ny mpampiasa rehefa amin'ny vanim-potoana manahirana no izy indray no misolovava ny mpampiasa. Efa niaina izany manokana ny tena, hoy ilay "Inspecteur d'Etat" tao Antsahavola izay rehefa nametraka ny fitarainako tamin'ny asa tamin'ny maha-delege aho hoe: "Tsy hitako izay itarainanao amin'izany fa be dia be ireo ny olona mitsiriritra ny asanareo fa mahaiza mipetraka, rehefa tsy zaka dia mialà fa aza be taraina" (Tamin'ny andron-dRatsiraka nitondra fanindroany izany fotoana izany!) Tena tezitra aoka izany aho tamin'izany valin-teny izany fa fitarainan'ny mpiasa no entiko ary misahana ny asa ny raharahany ka tsy mahagaga raha be no mihevitra hoe efa nosisihan'ny mpampiasa vola ireny "Inspecteur d'Etat" ireny matoa mahavita miteny toy izany ka tsy mahagaga ny mpiasa raha lasa manaonao foana rehefa tsy hita izay heveriny hiahy azy rehefa tsy misy miraharaha izy nefa mahatsapa ho ianjadian'ny tsindrihazolena.

Noho ny toe-javatra tahaka izany indrindra no nahatonga ahy namoaka tao amin'ny facebook (ary efa mivoaka ihany koa ato amin'ny blaogy.com) hoe Tiavo ny asanao fa aza mitia ny orinasanao. Io orinasa io tsy hiraharaha izay momba anao raha azony atao ihany koa fa ny tombontsoany ihany ny azy no fantany. Io orinasa io tsy maika amin'ny resaka sosialy hitsinjovana ny mpiasa fa mahavita manapa-kevitra haingana dia haingana rehefa hitany fa misy tataka ny fitoeram-bolany. Fa dia inona loatra ary no anandratana feo amin'izao fotoana izao? Nisy mpamaky ahy taloha nahatsikaritra fa rehefa hilaza zavatra iray atao lohateny aho dia mbola ilaozako miresaka zavatra hafa aloha vao mitodika any amin'ilay lohahevitra rehefa any amin'ny farany. Mbola manaraka izany firafitra izany angamba ity firafitra ity raha mbola mamaky ity tsanganana ity indray izy. Izay no ela fa horesahintsika amin'izay ny olana tsy sahin'ny mpiasa aboraka ampahibemaso fandrao mahavoaroaka araka ny fiheverany.

Efa nipetraka hatramin'ny repoblika faharoa ny fe-potoam-piasan'ny mpiasa isan-kerinandro ho 40 ora fa heverin'ireo vahiny "mpampiasa vola" eto amintsika fa ny mpiasam-panjakana irery ihany no misitraka izany zon'ny mpiasa izany fa izy ireo kosa mampiasa anao amin'izay ora tiany na ho 60 ora na ho 70 ora isan-kerinandro aza izany (izaho aza efa nisy fotoana niasa 76 ora isan-kerinandro ary mbola betsaka no manana ora mihoatra noho izany niainako izany). Raha miresaka izany ianao ny ao an-tsain'ny olona voalohany dia hoe saosy be izany asa mafy ataonao izany, fa heveriny ho mandainga ianao raha mamaly azy fa tsy misy tambin-karama azo avy amin'izany ora be dia be mihoatra izany na dia ariary aza satria efa "cadre" na mpifehy ianao dia tsy voafetran'ny ora intsony ny asanao fa izay amitanao ny iraka ampanaoviny anao no ataonao. Raha asam-pitiavana manokana sy fanolorantena ilay izy dia tsy hitako izay itarainana, ary toy izany ihany koa raha mba mifanaraka amin'izany ny karama, saingy karama herinandro dia vita tanteraka! Tsy mahagaga raha misy ireo mitady vady an-tserasera na an-gazety ireo no mitady "cadre superieur" fa tsy "cadre" (fametrahan-tsary) satria iharan'ny fanandevozana ankolaka amin'ny karama kely, ary mety mbola kely vola raisina noho ny "employé" ao amin'io orinasa iray io ihany aza izany "cadre" tsotra izany. Ho anareo izay mbola hiasa, tandremo tratran'ny fandrika toy io nosoratako io. Sarotra ho anay mpiasa ny hitaraina amin'ny mpitondra fanjakana rehefa hitanay miharihary fa hay mpiara-komana amin'ny mpitondra orinasa mety ho manao tsinontsinona ny mpiasa ao aminy ianareo rehefa hitany fa mpiray fikambanana any amin'ny "fikambanana mpanao asasoa" na fikambanan'ny mpanankarena any ianareo, saingy mbola alefa ihany ny fitarainana mba ijerena lalàna iarovana ny mpiasa amin'io fitaka ataon'ny mpampiasa ao amin'ny fifanarahan'asa io.

Faramparany dia misy ihany koa ireo tsy manaja ny andro fiasana sy ny andro tokony hialan-tsasatra ary misy ireo mpitantana orinasa (misy hoy aho fa tsy izy rehetra) no izy indray no tezitra rehefa lazaina aminy fa tsy azo atao ny miasa 26 jona ohatra eto Madagasikara... satria malalaka loatra amin'izay ataony izy fa tsy raharahiany mihitsy ny hiasan'ilay mpiasa "tsy mahazo tambin-karama" noho ny fiasana andro fety na alahady noho ilay fifanarahan'asa izay voalazako etsy ambony etsy ihany. Efa tsy fantany intsony fa efa voasoratra ao amin'ny lalàna ny mba hananan'ny mpiasa fialan-tsasatra 48 ora ao anatin'ny herinandro. Noho ny tsi-fieritreretana fa misy ireo mpiasa miasa alahady mba mangataka andro hafa ho solon'ny alahady niasana (izany hoe 24 ora isan-kerinandro no tadiavina) no mbola mahazo valinteny fa tsy zon'ny mpiasa izany fa fitiavana manokana avy amin'ny orinasa ("faveur") raha omena "day off" izy, ilay fitenenana "day off" manko no mamitaka fa solon'alahady no tena izy.

Farany, satria manko tsy manankaleha intsony ireo mpiasa, indrindra rehefa mahazoazo taona izy, no anaovana toeran-tsy zaka ka tsy raharahiana na 10 na 15 na 20 taona niasana izy fa raha vao manao fahadisoana indray mandeha, toy ny fahatarana ohatra, dia sady omena sazy no iniana afindra toerana hafa izay efa miharihary fa tsy ho tian'ilay mpiasa ka rehefa tsy manaiky dia terena hametraka fialana, dia maro ireo manampim-bava ny tenany fandrao tsy homam-bary ny vady aman-janaka. Tsy manan-kitarainana intsony no sady tsy maharo azy izay rafitra rehefa natao hiahy azy ny mpiasa. Satria manko be loatra ny tsy an'asa ary be ny mpitady asa araka izany, dia anaovana izany karazam-panandevozana izany nefa ny karama omena amin'io ilay karama sahaza ny mbola ipetrahan'ilay mpiasa any amin'ny tranon-dray aman-dreniny ihany.

Hafatra ho anareo tanora: Aza mba mpiasa ihany fa raha azonao atao dia mitadiava fihariana tsy eo ambany fahefan'olon-kafa, sarotra izany fa aleo miasa mafy ahitam-bokany toy izay ampiasaina mafy amin'ny karama tsy mahavita tapabolana... Raha mbola tanora ianareo dia matanjaka tsara na saina na hery fa rehefa mihalehibe ianareo dia mihaosa avokoa na ny saina na ny hery.


Zoma 16 oktobra 2015 amin'ny iray ora sy sasany maraina...

 

...

Fetin'ny Mpiasa fa tsy fetin'ny Asa

2015-05-01 @ 09:36 in Andavanandro

Migadona ny voalohany volana mey. Fetin'ny Asa no mahazatra ny fitenenan'ny olona raha vao miresaka io daty io. Raha ny marina anefa dia fetin'ny mpiasa no voambolana mety sy sahaza kokoa  fa tsy ilay asa loatra. Ara-tantara (Tandrefana) dia ny fankalazana ny asa vitan'ilay olona mpiasa no tena nasandratra tany amin'ny taonjato faha-18 tany. Izany hoe tsy mijery afa-tsy ny vita ny mpampiasa fa tsy mijery ilay olona nanao ny asa, tsy mahalala ny filan'ilay mpiasa sy ny zavatra mety mihatra aminy. Tsy tamin'ny andron'ny 1 mey ihany koa, no tena nametrahana izany daty izany tamin'ny maha-fetin'ny Asa azy.

Taty aoriana dia efa mazava kokoa ny filazan'ireo tranonkala vahiny ny anarany hoe Andro Iraisampirenena ho an'ny Mpiasa. Eo vao mitodika any amin'ilay olona ny andro fa tsy tamin'ny zavatra nataony sy novitainy intsony. Teo aloha dia ny tombontsoa sy ny vola miditra ihany no fantatry ny mpampiasa fa tsy raharahiany izay manjò ny mpiasa any. Olombelona ihany koa anefa ny mpiasa. Mahalala trotraka ihany koa izy ary mahay manohitra ny tsy rariny avesatra eo amboniny. Toy ny andevo ny fijery ny olona atao ambany na tsy raharahiana noho ny vola miditra na vola tokony omena ilay olona nanao ny asa nefa dia fihinina izany satria hoe "zaranao aza manana asa ianao".

Ny fiandohan'ny nametrahana ny 1 mey dia avy amin'ny fitakian'ny sendikà Amerikana hametra ny ora iasana ho 8 ora isan'andro fa tsy mihoatra. Io no andro ihetsehana, maro ny ra latsaka tamin'ireo andron'ny 1 mey nifandimby ka vao maika nampijoro mafy ilay andro ho sarotra esorina, indrindra fa any amin'ireo tany tandrefana. Andro napetraka hanaovan'ny mpiasa fitakiana izy io amin'izao fotoana izao, saingy anaran-tsy very izany sisa eto Madagasikara, satria tsy azo atao ny midina an-dalambe tsy mahazo alalana. Hahazo alalana amin'ny fitakiana sendikaly ve ny sendikà sa tsy sahy intsony? Sao dia anaran-tsy very ihany koa sisa ny sendikà amin'izao fotoana izao?

Eto Madagasikara, na dia efa natao andro tsy iasana tokony hanaovan'ny mpiasa ny fitakiana any anatiny any aza ny andro voalohany volana mey dia maro ireo orinasa, lazaina fa manaja ny lalàna velona eto Madagasikara, no tsy miraharaha fa mampiasa ny mpikarama ao aminy ho toy ny andro andavanandro ihany. Ary ny tena loza dia misy ireo miasa tsy mahazo tambin-karama, satria hoe efa mipetraka ao anatin'ny fifanarahan'asa eo amin'ny mpiasa sy ny mpampiasa fa tsy mahazo tambin-karama intsony izy. Te-hanangona sy te-hahafantatra ny endrika tsy rariny mahazo ny mpiasa aho fa izay fantatro ihany no lazaiko.

Maro amin'ireo mpikarama no miasa ora maharitra sy mihoatra ny 40 ora isan-kerinandro ka tsy mandray ny tambiny, mifanaraka amin'ny lalàna napetraka, avy amin'ny andro tsy tokony iasany nefa voatery miasa izy. Efa mipetraka anaty lalàna arakaraka ny karaman'ilay mpiasa ny vidin'ny ora iray mihoatra amin'ny ora tokony iasany. Misy anefa dia ora maro dia maro no iasan'ilay mpikarama, kanefa dia ampahatelony na ampahaefany na ampahadimin'ny tambin-karama tokony horaisiny ihany no omena  azy. Misy indray dia efa fantatra ny ora mihoatra iasany isam-bolana dia efa apetraka hoe vola -raikitra sy tsy miova- izao isam-bolana ihany no azony na ora firy na ora firy no mihoatra amin'ny andro iasany. Tsy haiko aloha na mifanaraka amin'ny lalàna sosialy izany toe-javatra izany na tsia fa dia misy soa aman-tsara ireo lazaiko ireo.

Fandripandrika omena ny mpiasa ihany koa ny hoe ianao dia mpiasa ivelan'ny sokajy (hors categorie) ka tsy tafiditra ao anatin'ny lalànan'ny asa intsony ny fifanarahanao mpiasa amin'ny mpampiasa. Asainy miasa amin'ny ora tiany ianao fa tsy mahazo ilay tambin-karama intsony satria efa mipetraka mazava ao anaty fifanarahana izany, ary mihevitra ny orinasa mpampiasa amin'izay fotoana izay fa tsy azon'ny lalàna enjehina izy. Rehefa tratran'ny fandroahana na hiala anefa ilay mpiasa dia tsy maintsy faritana ihany hoe sokajin'asa laharana faha-izao na izatsy no mihatra amin'izay fotoana izay. Ny tena manahirana amin'ity fifanarahana ivelan'ny sokajy ity, raha ny fiheveran'olona tsotra amin'izao dia tokony ho ambony dia ambony ny karamany ho sandany saingy tsy izany velively no izy fa mandray latsaka noho ny "ambany sokajy noho izy" aza ireo tratran'ity fifanarahana sadasada ity. Saingy tsy afa-miteny sy tsy afa-mitroatra ny mpiasa tratran'izany satria "zaranao aza ianao manana asa fa jereo ireo tsy an'asa mitsiriritra ny asanao".

Teny an-dalana teny aho dia nahatsikaritra fa maro ireo olona no misinda kely ivelan'ny tanàna satria mba tsy miasa e! izay ilay anaran-tsy very. Efa mihoatra ny zato taona izao no nitakiana ny ora valo isan'andro ary efa maro ny firenena manatanteraka izany, ary anisany i Madagasikara, saingy misy ireo mpampiasa no manao valiboraingina hoe mpiasam-panjakana angaha ianao no hitaky valo ora isan'andro na efapolo ora isan-kerinandro? Mandehana any amin'ny fanjakana raha hitady an'izany fa tsy aty no misy an'izany. Ato amin'ny orinasako dia IZAHO no lalàna. Mila mieritreritra ny sendikà ary mila mijery indray ireo mafiloha afa-mitarika ny fitakian'ny mpiasa an-dalambe amin'ny andro tahaka izao fa na misy aza ny fifanarahana dia tsy maintsy misy ihany koa ny fitakiana mety tsy ho fantatrao avy amin'ny mpiasa tratran'ny tsindrihazolena efa tsy jeren'ny fitondram-panjakana intsony.



Jentilisa 1 mey 2015


Tsy mataho-tody

2014-12-16 @ 21:35 in Andavanandro

Hafatra voaray avy amin'ny namana ity ka niangavy izy ny hampitaiko azy fa tsy zakany intsony ny tsy rariny ampiharina amin'izy ireo. Efa nosoratako taminy ihany fa tsy dia misy fiantraikany loatra ny famoahana azy amin'ny bilaogy fa tsy maninona izany hoy izy fa ny mba ho lesona ho an'ny hafa, hoy izy, no tiako amoahana azy. Toy izao manaraka izao ny votoatin'ny hafatra izay nampitainy aty amiko : 

Amin'ny ankapobeny aho tsy mitantara fiainana manokana izany loatra. Na dia misy aza ny tsy rariny sasantsasany ao anatin'ny fiaraha-monina dia misy ilay fomba fitenin'ny Malagasy manao hoe "Tokantrano tsy ahahaka!" Tsy midika velively izany hoe ao an-tokantrano no misy tsy rariny fa mety ho eo amin'ny mpiara-monina akaiky eo ihany. Eto kosa aho hamboraka ny hatezerako, tsy maintsy misy ny avoaka fandrao manimba ny tena ary efa tapa-kevitra fa tsy haka lagy, rehefa izay no tadiaviny dia aleo tanterahina araka ny sitrapony ka tsy hitsitsy intsony.

Raha misy ny zavatra iray mampikorontana na mampiady indrindra ny samy mpanofa trano dia matetika eo amin'ny resaka jiro sy rano izay. Matetika manko dia mitambatra kaonteran'ny jiro sy ny kaonteran'ny rano ny samy mpanofa ary matetika miaraka amin'ny tompontrano aza izany. Efa torohevitra mialoha sahady hoe rehefa mijery trano hofaina dia aza amaivanina mihitsy io resaka jiro sy rano io, raha vao misy zavatra mampiahiahy na dia kely monja aza dia aleo tsy mijabaka fa mitady hafa mety ho azo leferina na mifanaraka amin'ny rariny.

Raha nifindra trano izahay dia nanambara ny tompontrano hifindrana tamin'izany fotoana izany fa raha be fandanian-jiro dia tsy mety amin-dry zareo satria tsy dia matanjaka ny herinjiro nipetraka ary mety hanapatapaka ny jiro. Nekenay soa aman-tsara izany ary voahaja araka ny sakany sy ny lavany. Nandeha no roa volana, nandeha araka ny tokony ho izy ny lany teo amin'ny jiro sy ny rano sy ny vola naloa. Nilamina sy nisosa soa aman-tsara ny fiainana sy ny filaminana. Niala ny iray tamin'ny mpanofa avy eo fa voatery nifindra tanàna noho ny asa. Nisy mpanofa vaovao tonga fa dia nivadika tanteraka ny zavamisy nanomboka hatreo. Marihina fa lova angamba ny trano ipetrahana ka na dia iray trano lehibe aza no ipetrahana dia samy manana ny mpanofany ny tsirairay. Izay no iray amin'ny  maha-sarotra amin'ity raharaha ity na dia iraisana aza ny kaonteran'ny jiro sy ny rano.

Tsy nitsaha-nitombo ny fandaniana nanomboka teo ary dia noterena izahay hoe anisan'ny mampiasa jiro hatrany sy mampiasa solosaina (finday!) ka tokony handoa ny ambanimbany kely noho ny atsasaky ny fandaniana. Noezahina ny fanazavana hoe tsy hitovy mihitsy ny fandanian-jiro na hisy herinjiro lany hatrany aza ao aminay satria zavatra tsy mandany jiro avokoa no ampiasainay fa dia azon'ody angaha ny sasany sanatria fa rehefa mampiasa jiro dia mandany jiro ny dikan'izay. Nohazavaina taminy fa tsy hitovy fandaniana mihitsy ny 4L sy ny kamiao fa ny di-dohany ihany no di-dohany. Efa nanomboka letra ny tena tamin'izany fotoana izany.

Efa nifanarahan'ireo tompontrano amin'ny mpanofany avy fa tsy azo atao ny mampiasa zavatra mihinan-jiro fa nisy ireo nangalatra nampiasa ireo zavatra mandany jiro ireo ihany. Nifanendrikendrika amin'izay fa ranona mampiasa "rice cooker" sy fera fipasohana, tsy hitako anefa izay hakanay mpanampy sy handaniana saribao roa gony lehibe isam-bolana raha mbola handoa ny vidin-jiron'ny sasany ihany. Nilazana ary ry zareo hoe andao samy hampakatra "rice cooker" sy "fera fipasohana" any amin'ny tompontranony avy fa tsy nanaiky ry zareo fa ny fananany ve hoe ampirimina any amin'ny olon-kafa any. Miharihary aminay manomboka hatreo fa mpandany ry zareo nefa dia omen'ny tompontranony vahana amin'ny fampitoviana ny jiro aloa sy ny fampitomboana ny rano aloanay kosa satria izahay no maro kokoa noho ry zareo. Notakianay ny hampiasana ny kaontera mpitsinjara (divisionnaire) ary nolazainay avy hatrany mba hitovy marika sy mpanamboatra izany kaontera mpitsinjara izany ary samy manana ny azy. Tsy nohenoina mihitsy izahay. Ny manahirana dia tsy miteny mihitsy ny tompontranonay manoloana izany rehetra izany satria ny zandry manaja ny zoky.

Ny zavatra mampihomehy dia mahita lainga hoforonina foana ry zareo mpanofa ao ambadika rehefa andro iray mialoha ny hahatongavan'ny jirama manao "relevé". Mody nasainy niantso ny zanakay ny zanany sady miditra ao an-dakozia ihany izy... dia avy eo lasa mihazakazaka any ivelany any sady mitabataba hoe mampiasa "rice cooker" ry zareo. Ny nampihomehy dia tsy nisy izany "rice cooker" izany intsony tao aminay fa efa naterinay tany amin'ny tompon-trano ny zavatra rehetra ahiana mety hiteraka fandanian-jiro betsaka. Savao ao raha mahita izany ianareo satria tsy niala teo amin'ny vavahady ry zareo. Raikitra amin'izay ny fifanasana vangy ary dia hitan'ny fiaraha-monina manodidina mihitsy izany tabataba izany.
 
Tafakatra in-telo avo heny noho fahitanay mahazatra amin'izay ny jiro. Mazava loatra satria manararaotra mampiasa ny herin-jiro araka ny sitrapony ny sasany nefa izahay toa adala manao fitsitsiana hatrany. Na orinasa kely aza tsy manao izany fandaniana izany, araka ny fijeriko fa efa ny fandanianay iray volana no lany ao anatin'ny telo na efatra andro monja. Gaga ihany hoe ahoana ary izany fandaniana izany. Indray mandeha, nifoha maraina dia maraina aho ary nijery ny kaontera (sady mijery kaontera no maka lagy mahita ny marik'isa voasoratra fa lany). Nihodina dia nihodina tokoa ilay jiro nefa tsy  misy hitako mampiasa aminay samy mpanofa (mbola maizimaizina ny andro tamin'io fotoana io). Hiala maraina ao an-trano aho ka nobitsihako ny vadiko fa hotapahiko ny jiro fa mihodina loatra nefa tsy hita izay mampiasa azy. Sady niainga aho no nanapaka ny jiron'ny kaontera. Fotoana fohy monja taorian'izany dia hitako ny tompon-tranon'ny ao ambadika nankeo amin'ny fanasan-damba. Ny tao an-tsaiko voalohany dia hoe ry zareo izany no tena mihinan-jiro ka ny mpanofa no atao izay hampiady azy dia masaka ny tetika. Nisy "fil" iray izay manko tsy mazava aminay mihitsy hoe mankaiza ny lalan'izy iny (efa notapahina tanteraka!)

Fotoana fohy taorian'izany dia raikitra indray fa asiana kaontera mpitsinjara ihany ho an'ny mpanofa trano. Ny nampihomehy dia samy hafa ny marika sy ny mpanamboatra amin'ireo kaontera mpitsinjara ireo, efa niezaka ny nanazava ihany izahay fa tsy nohenoina satria misy tanjona hafa tian-katao manko. Kaontera mpitsinjara telo samy hafa izany no ampiasain'ny mpanofa ka samy manana ny azy. Vao nandeha ny herinandro nampiasaina ilay kaontera mpitsinjara dia hita avy hatrany fa ny anay no kely indrindra tamin'ny lany, izahay anefa tsy nampihena inona loatra tamin'ny jiro fampiasainay fa ny sasany no namoro tanteraka ny zavatra mandeha herinjiro rehetra tao aminy. Ny anay atsasaky ny an'ny mpanofa iray izay tsy miditra "gidragidra ifanaovanay roa tonta", ary ny azy io kosa atsasaky ny an'ilay nanendrikendrika anay ho nampiasa "rice cooker".

Nahagaga fa nandritra ny volana nametrahana ilay kaontera mpitsinjara dia nihena dia nihena ny jiro satria nitombo kely noho ny tamin'ny fotoana nahatongavan'ireto mpanofa farany ny marik'isa nipetraka ary mbola ambany noho ny atsasaky ny lany tamin'ny volana teo aloha. Voalaza indray fa tsy neken'ilay tompontrano manao fitsinjarana ny vola aloa indray ny tondro napetraky ny kaontera mpitsinjara fa mety misy tsy mihodina tsara na lasa mihodina be loatra tsy araka ny tokony ho izy ny kaonteran'ny sasany. Noho izany toy ny teo aloha ihany ny vola tokony aloa ary mbola mandoa ny ampahany be amin'ny jiro ihany izahay. Na dia ny fizarana telo mitovy ny jiro aza dia tsy nekeny satria, nahoana ny mpanofa no tsy ao an-tranony nefa mandoa betsaka noho izahay?

Rehefa nilazana ny vola tokony naloanay izahay (izay tsy mbola nisy vola naloanay toa izany hatramin'izay niainanay!) dia nangataka tamin'ny tompontranonay ny hampidinana ny "rice cooker" sy ny fera fipasohana ary nilaza fa hampiasa izany izahay, hampiasa lafaoro ihany koa izahay manomboka izao fa tsy hitatatra hoan'ny Rainilezafy. Ny tanjona tamin'ity hametrahana kaontera hay dia ny saika hanaporofoana fa izahay no tena mpandany jiro indrindra; kanjo ny mifanohitra amin'izany tanteraka no nitranga. Koa rehefa izay no tadiavin-dry zareo dia hotanterahinay. Mandany vola vidin-tsaribao roa gony isam-bolana fotsiny izahay nefa toa ampandoavina ny lanin'ny sasany zara raha mandany gonin-tsaribao tapany ao anatin'ny roa volana. Ary ampahatsiahivo an-dry zareo amin'izao famaranana ny hafatra izao hoe enga anie tsy amin'ny olona tsy azo anaovan-dratsy no anaovanareo izao tsy rariny izao, tsy hisy dikany ny fitenenanana hoe hanody ny ratsy atao rehefa tsy mataho-tody ilay olona.

Dia izay sy izay ny hafatra nampitaina, ary noezahana mba ho araka ny fomba fitantarako azy no namoahana ny hafatra satria tsy dia tian-dry zareo hiharihary loatra na ny toerana na ny fokontany, eny fa na dia ny tanàna misy azy ireo aza. Ny tsy azoko tsara dia hoe mila domberina avy amin'ny fanehoan-kevitra ve ry zareo sa tsia satria efa nolazaiko azy mazava tsara fa tsy dia misy maneho hevitra loatra intsony amin'ny bilaogiko.


Jentilisa 16 desambra 2014

FRAM ihany ianao fa tsy ho mpiasam-panjakana

2014-09-03 @ 11:12 in Andavanandro

Akaiky ny fidiran'ny mpianatra. Misy ireo manomboka ny taom-pianarana amin'ity volana septambra ity, misy kosa amin'ny volana ambony vao manomboka. Rentsika ombieny ombieny ny fitarainana sy ny fitokonan'ny mpampianatra FRAM noho ny fahavitsian'ireo horaisin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Olana politika saro-bahana ny momba an'io satria ilaina sy kitro ifaharan'ny firenena tokoa izay fampianarana izany ary laharam-pahamehana mialoha ny handraisana manamboninahitra miaramila, raha amin'ny fijeriko manokana.

Na dia maro dia maro aza ny isan'ny mpampianatra mpiasam-panjakana dia mbola tsy ampy hatrany satria te-hivangongo eto an-drenivohitra daholo izy ireo fa tsy te-hisahirana ho any ankodahoda any. Misy ihany ireo vonona ny hampianatra any amin'ny toerana saro-dalana saingy lasa toy ny mitady loza raha karama tsy misy dikany tsy mahavelona herinandro akory no omena azy ireo. Misy anefa ireo mpiasam-panjakana omena alalana hitam-piadiana tsy esorina aminy na dia ny hetra tokony aloany amin'ny maha-mpiasam-panjakana azy aza satria izay manam-piadiana no tompon'ny fahefana. Atao ahoana moa fa rehefa tsy te-hiongana ny mpitondra dia arahina ny sitrapon'izy ireny. Saingy tsy any loatra moa ny zavatra tena tiana horesahina fa resaka fampiarana. Ny olana manko rehefa mpiasam-panjakana, na amin'ny sehatra inona io na sehatra inona dia ny roa na telo na farafahabe dia dimy taona ihany no mihafy any amin'ny dezaka fa avy eo amin'izay mitady ny lalana sy ny fomba rehetra hiakarana an-drenivohitra. Tarazo ratsy napetraky ny fahalalana olona izany fa tsy nifototra tamin'ny tena fahaizany tokoa, ary vokatry ny toe-tsaina mihevitra fa aty an-drenivohitra ihany no tena fiainana.

Raha dinihana tsotsotra ny niandohan'ny olana eo amin'ny fampianarana sy ny nipoiran'ny antsoina hoe mpampianatra FRAM, izay fanalavana ny Fikambanan'ny Ray Aman-drenin'ny Mpianatra, dia avy amin'ny fanafoanana ny Fanompoam-Pirenena Ivelan'ny Tafika, Service National Hors Forces Armées (Populaires) na SN tamin'ny taona 1991. Ireo SN ireo, izay tanora vao afaka Baccalauréat, no nahavita ny ampahany betsaka indrindra tamin'ny fampianarana tany ambanivohitra nandritra ny Repoblika Faharoa na dia tsy vitsy aza ireo nikilavaka fa kely ny vola noraisin'ireo tanora ireo. Voasaron'ny hamaroan'ny SN ny fahavitsian'ny mpampianatra noho ny ezaka nananganana sekoly vaovao SFF isam-pokontany, na SAFF isam-piraisampokontany, na Lisea (SAFM) isam-pivondronana. Tsy teo amin'ny fampianarana ihany anefa no ahitana ny SN fa rehefa minisitera rehetra nisy teto Madagasikara dia saika nahita azy ireny avokoa. Noho izany, raha nofoanana ny SN dia tsy maintsy maro sy lehibe ny fahabangana naterak'izany fanafoanana izany ary tany amin'ny fampianarana no tena niantraika lalina ny fahabangana. Fiheverako manokana io fa anjaran'ny tsirairay ny mitsipaka na manamarina.

Dia lasa amin'izay ny kajikajy tsy dia manao ahoana avy aty amiko, 22 taona eo ho eo izany no nipoiran'ny mpampianatra FRAM rehefa nofoanana ny SN. Nantsoina hoe mpampianatra FRAM satria ny FRAM no miantoka ny karaman'izy ireo atao vola na vokatry ny tany misy eo amin'ilay toerana. Mety ho manana ny mari-pahaizana ho amin'ny fampianarana ilay olona na tsia. Raha 20 tamin'izany fotoana izany ilay mpampianatra dia 42 taona izany izy amin'izao fotoana izao. Raha 23 taona tamin'izany fotoana izany ilay nanolo-tena ho mpampianatra dia 45 taona izy amin'izao fotoana izao, nefa tsy eken'ny minisitra ho ampidirina ho mpiasam-panjakana intsony satria hoe efa be taona loatra. Izay mpampianatra FRAM nitozo tamin'io fampianarana io hatramin'ny nipoirany voalohany izany dia vita hatreo ny aminy raha tamin'ny taona 1992 tokoa no nanomboka nampianatra fa tsy "tafiditra" ho mpiasam-panjakana intsony. Raha ny tombatombana avy aty amiko anefa dia any amin'ny 25-26 taona any ho any ilay olona na mihoatra aza no miditra ho mpampianatra FRAM satria tsy mahita asa hafa (natao hitady asa ilay Malagasy!) hatao. Tsy hahagaga ahy loatra noho izany raha misy ireo mitokona satria simba tanteraka ny fiainany niaritra tao. Dia manontany hoe  mba mijery izay lafin-javatra izay ve ny ao amin'ny fitondrana sa sao sanatria ny hampiditra ny namana sy ny akama ary izay manaiky hiditra ao amin'ny antoko ihany no ampidirina ho mpiasam-panjakana. Eritreritra tsy tana tsy voatery ho marina fa voasoratra tsy tana ihany koa!

Jentilisa

PS: zavatra hafa momba ny kojakojam-pianarana no saiky hosoratana dia lasa any indray ilay aingam-panahy.

Aza Poizinina Ilay Sakafo Matsiro

2014-08-30 @ 23:29 in Andavanandro

Na dia kelikely ihany aza izay lany dia nianoka tanteraka tamin'ny fihinanana valala ny tena. Natsiro tokoa ilay izy nendasina . Tsy mba nitovy tamin'ny nanandramana nihinana fozaorana izay toa nisy plastika nihevotra izany ny nihinana ilay valala voaendy rehefa noesorina ny elany, fa lany daholo izy rehetra ary mirangorango hatrany. Dia gaga ihany ny tena hoe fa maninona no fendrahana fanafody shimika ny famonoana ny valala nefa ilay fanafody shimika tsy ny valala ihany no asiany fa ny landy sy ny tantely ihany koa. Raha azo atao, sady azo atao mihitsy, tsy aleo ve ajanona any ity hoe mandraraka fanafody shimika amin'ny alalan'ny fiaramanidina na angidimby ity fa fandaniam-bola amin'ny tsy misy dikany fotsiny?


Raha iverenana ny tantara hany fantatra dia nahazoana volabe (sy nandaniana volabe miaraka amin'izany) ity famonoam-balala ity nefa toa tsy mahomby na niniana natao tsy nahomby ilay izy mba ho fidiram-bola mitohy ho an'ireo mpandray anjara amin'ny famonoam-balala. Re siosio fa ny angidimby na ny voromby nofaina handrarahana fanafody, hatramin'ny repoblika faharoa indrindra indrindra, dia mihofa amin'ny ora fa tsy amin'ny velaran-tany vita ary niniana tsy tany amin'ny toerana efa fantatra fa mbola atorian'ny valala no fendrahana ireo fanafody fa toeran-kafa tsy misy na inona na inona, tanjona ny hoe miala eo amin'ny seranana mitondra fanafody ary rehefa mitody eo indray dia efa lany ny fanafody nentina.

Tsy fantatra moa fa mety ho efa nisy ihany koa ny fanaovana tatitra amin'ny hoe nandraraka fanafody tatsy Ananona nefa tsy nisy an'izany akory fa ny faktiora no kopaka ifampisasahan'izay mpiray tsikombakomba amin'izany, ahiahy izany nefa rehefa mahafantatra ilay toetran'olombelona (mba tsy itenenana hoe mahafantatra ny toetran'ny Malagasy) dia azo heverina fa mora tontosaina tokoa. Noho izany dia sady fanariambola am-baravarankely manome tombombarotra ireo orinasa vahiny tsy miraharaha ny fikolokoloana ny tontolo iainana ny fividianana fanafody shimika izay lafo rahateo no tsy mahasoa ny tany sy manimba ireo zavamanan'aina hafa, araka izay efa notenenina teo aloha.

Koa aza atao mahagaga raha misy ny tompon'andraikitra ambony noheverina hanirina vao maika nampivandravandra mody tsy maheno na tsy miraharaha ireo voka-pikarohana, niaraha-iombon'antoka tamin'ny vahiny hafa ihany koa, mandala kokoa ny tontolo iainana nefa tsy raharahiana mihitsy. Tsy mandalo any manko ny lalan'ny fitadiavam-bola mety hahazoana ampahany manokana ho an'ny tena ary sarotra kokoa ny handresy lahatra ireo mpampisambo-bola mety manana ny heviny ihany koa amin'ny fanafody tokony hovidiana nefa raha vao miresaka fanafody dia midika ho tsena-entambarotra ihany koa izany.

Fandrika iray tsy mampahomby ny fandripahana valala ihany koa, rehefa norarahana fanafody shimika ny tsy fahazoana mihinana azy satria poizina ho an'ny olona na biby mihinana azy ihany koa izany. Raha ny marina dia tena mifanohitra tanteraka amin'ny fomba fiheveran'ny Ntaolo malagasy izany fomba famonoam-balala izany, sady tsy ahitana fahafinaretana amin'ny tsy fahazoana mitsakotsako azy... Tsy mampety azy hafa ihany koa ny tsy fampandraisana anjara andraikitra ny sarambabem-bahoaka amin'ny fiadiana amin'ny fianahany izay mety hiteraka fahasimban'ny voly raha be loatra ry zareo fa sampan-draharaha iray ihany no tena misahana izany. Toa manandratra ambony avy hatrany ny vola heverina holaniana fa manao tsinontsinona kosa ny tsy voavidim-bola dia ny mety ho firaisan-kinan'ny rehetra miara-mandroaka na miara-mandraoka valala rehefa maraina.

Taloha raha misy ny andiam-balala dia miara-mirohotra avokoa ny rehetra amin'ny fiadiana aminy na amin'ny fanangonana azy hohanina ary mihinana daholo na olombelona na biby fiompy. Amin'ilay fendrahana fanafody shimika anefa dia tsy misy na inona na inona azo atao intsony amin'ny valala heverina ho efa misy fanafody afa-tsy amin'ny fandoroana fako na fandoroana tanety isian'ny setroka heverina fa hampiverin-dalana ny valala. Politikan'ny tsy mahalala fa fihinana ny valala izany toe-javatra izany ary tratra aorian'ny Malagasy izay mahalala fa be otrikaina sy mampatanjaka io zavamananaina iray io.

Mba fantatrareo mpamaky moa fa anisan'ny sakafo, na laoka, ankafizin'ny Ntaolo Malagasy tokoa izany valala izany? Mba fantatrareo moa fa raha "criquets" sy "sauterelles" [na fohy tandroka sy lava tandroka] (ampiana "grillons") no anaran'ny karazam-balala fiteny an-davanandro amin'ny teny frantsay ary "locust" sy "grasshopper" no anaran'ny karazam-balala fiteny an-davanandro amin'ny teny anglisy dia maro kokoa noho izany no anaran'ireo karazam-balala amin'ny teny malagasy? Misy aza moa no anarana tsy fandre intsony fa mba ampitaina aminareo fotsiny araka izay hita ao amin'ny rakibolana rakipahalalàna malagasy, ny adrisa no vavin'ny aketa ary ny mbola kely amin'izy ireo dia antsoina hoe tsimbotry. Izany no nisian'ilay fitenenana manao hoe "Tsimbotry niaraka ihany koa adrisa vao hifanary?" izay nisy namadika taty aoriana hoe "sola niaraka ihany koa brown [=ngita] vao hifanary?" Karazam-balala ihany koa ny tsingarangadona, ny tsipanga, ny ambolo, ny tsinombina, ny tsindahalakana ary ny valalavao (valala vahiny na valala sisa tavela tsy tafaraka intsony amin'ireo namany nanao andiany): ireo no voatonona ho karazany tena fihinan'ny Ntaolo. Tsy voatonona amin'ireo karazana ireo ny sompanga fa ny mety ho tsy ampoizinareo mpamaky dia ilazana ny filahiana ihany koa ny voambolana hoe valala, raha tsy matoky ianareo dia jereo ny rakibolana rakipahalalàna navoakan'ny Akademia Malagasy tamin'ny 2009. Izany hoe ity lazaintsika ho "Balita" ity izany dia mety hoe valala no niantsoan'ny Ntaolo azy fa ny nampalahelo moa dia tsy mbola hitako (afa-tsy amin'ny kisendrasendra koa angamba) hoe mba inona kosa no niantsoan'ny Ntaolo an'i "Bozy"?

Hamaraparanana dia hitantara ny tsikaritra etsy sy eroa mahatsikaiky na mampalahelo aho tamin'ny fisamborana na tsy fisamboran'ny olona valala teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Teo Analakely dia nisy tovovavy nihorakoraka sady nihazakazaka tahaka ny noenjehin'alika raha nipetrahan'ny valala ny akanjony, nihevitra ny manodidina tamin'izay fotoana izay hoe nisy nanendaka izy hay valala no nandosirany. Niaiky ihany koa ny vadiko fa natahotra valala tamin'ny voalohany fa tsy naninona avy eo. Raha nisy ireo ankizy navitrika aoka izany amin'ny fisamborana sady nameno ny tavoahangy plastika tamin'ny valala, dia nisy kosa ireo miangetsana araka ny fiteny ka sady matahotra no te-hisambotra, ny tanana mandroso haka valala moa ny vatana manontolo mihemotra tsy te-hahazo, miaraka amin'ny fonon-tanana misambotra valala. Misy no misambotra valala ny tanany ilany no mitampin'orona amin'ny tanany ilany, misy ihany koa ny sady misambo-balala no mikimpy tsy te-hijery ny zavatra samboriny. Misy ihany koa ireo mpamboly vary no namela ny tanimbariny hatorian'ny valala sady tsy nikitika mihitsy fa sao, hono, valala avy any Afrika ireny ka ifindran'ny aretina "Ebola" eo - tany Ampitatafika no nisy an'izany ary tsy nety noresena lahatra mihitsy ry zareo.

 

Izay no fohy, izay no lava fa ny fehin'ny resaka dia hoe nahoana no dia fendrahana poizina ity sakafo matsiro ankafizin'ny maro amin'ny olombelona sy ny biby ity? Tena hadalana ankitsirano sy famosaviana ankarihary ilay famonoam-balala amin'ny fanafody shimika fa atsaharo azafady. Fandrisihana sy fampandraisana anjara ny olona amin'ny fandroahana na fandraofana valala no ataovy mba ho sady fialamboly izany no sakafo maimaim-poana avy any an-danitra. Tsy ho vitanareo samirery velively ny hamono valala fa tokony ho raharaham-bahoaka io.


Jentilisa 31 aogositra 2014

Polisy : Mivoara Amin'izay

2014-03-16 @ 05:45 in Andavanandro

Tery aho hanoratra izao manaraka izao na dia alahady maraina aza. Tranga mbola tsy reko teto Antananarivo no hosoratana hanairana ny rehetra ho mailo sy haka fepetra mifanandrify amin'izany.

Tery ahw hanuratra izaw manaraka izaw na de alahady maraina aza. Tranqa mbula ci rekw tetw Antananarivu nw husuratana hanairana ny rehetra hw mailw si haka fepetra mifanandrify aming izany.

Omaly tolakandro teny Ankazomanga, teo ampiandrasana bus ho aty Antanimena, nisinisy ihany ny olona teo. Tsy nisy nanampò fa olona efatra nandeha tsiroaroa tamin'ny scooters roa no nijanona tampoka teo anoloan'ny ramatoa iray niandry bus ary nanambana basy azy teo amin'ny firihifana sady niteny hoe ento aty ny poketranao. Tsy misy na inona na inona azo natao afa-tsy ny nanolotra ilay poketra. Ireo olona hafa nijoro teo kosa raha nahita izany dia nihataka tamin'ny alalan'ny fisisihana ilay bus mbola nijanona teo. Natahotra ny ho voaambana basy sy voaendaka tsy ankihetsika eo ihany koa. Vita ny nataon'ireo olona efatra nanendaka dia nirifatra tamin'ny scooters izy ireo.

Umaly tulakandrw teny Ankazwmanqa, teo ampiandrasana bùs hw atih Antanimena, Nisynisy ihany ny Ulwna tew. Ci nisy nanampu fa ulwna efatra nande tsiruarua tamini skuter rua nw nijang tampwk teo anulong ramatuh iray niandry bùs ary nanambana basy azy tew amini firihifana sady niteny hwe entw atih ny poketranaw. Ci misy na ing na ing azw nataw afaci ny nanulwtra ilay poketra. Irew Ulwna hafa nijurw tew kus raha nahita izany de nihatakataka tamini alalani fisisihana ilay bùs mbola nijang tew. Natahutra ny hw vwambana basy si vwaendaka tsi ankyhecyka ew ihany ku. Vita ny natawn'irew ulwna efatra nanendaka de nirifatra tamini skuter izy irew.

Mitodika amin'ny polisy sy ny zandary ny tena eto. Efa betsaka ianareo no mandeha moto sy scooter. Tsy natao hitari-dalana na hanaraka manampahefana irery intsony izany ankehitriny manoloana izao toe-javatra izao fa tsy maintsy mivoatra mampiasa ny fahaizanareo mitondra ireny moto sy scooter ireny manenjika ny karazana jiolahy tahaka itony. Ianareo ihany no manambasy ka ianareo ihany no afaka mifampitana amin'ny andian-jiolahy tahaka izao tantaraiko aminareo izao. Ambava homana, ampo mieritra. 

Mitudyka amini polisy si ny zandary ny tena etw. Efa betsaka ianarew nw mande moto si skuter. Ci nataw hitari-dalana na hanaraka manampahefana irery intsuny izany ankehitriny manulona izaw twejavatra izaw fa ci maincy mivotra mampiasa ny fahayzanarew mitundra ireny moto si skuter ireny manenjika ni karazana jiwlahy tahaka ituny. Ianarew ihany nw manambasy ka ianarew ihany nw afaka mifampitana amini andian-jiwlahy tahaka izaw tantaraikw aminarew izaw. Ambava humana, ampu mierytra.

Jentilisa 16 marsa 2014

Izay misaraka fasika, izay mitambatra vato

2013-09-17 @ 11:04 in Andavanandro

Tamin'ny lahatsoratra farany nataoko no efa nampiomanako fa hanoratra zavatra mety tsy hahafaly ny ankolafy Ravalomanana aho. Somary niova anefa ny tantana mandra-pahatongan'ny fotoana nanoratako ilay lahatsoratra manaraka.

Teo alohaloha teo dia natopatopan'ny onja any amin'izay tiany itondrany azy ny ankolafy Ravalomanana, tsy fantany intsony ny lalan-kaleha fa mifandrirotra etsy sy eroa noho ny tsy fananana paika mazava. Nataon'ireo mpitarika leo tanteraka ny mpanohana sy ny mpiara-dia, tonga hatramin'ny fanehoa-pahatezerana sy fitakiana mivantana amin'ny alalan'ny serasera sosialy vao misy zavatra kely nihetsika. Voatery nantsoina ho any amin'ny filoha mihitsy ny mpitarika satria nalaza loatra fa ireo mpitarika ireo mihitsy no mpamadika ny tolona sy mpifikitra amin'ny seza nanendrena azy. Saiky diso lalana tanteraka ilay ankolafy...

Noho ny fahatezerana dia efa niomana mangina fa handeha hifidy na inona na inona holazain'ny ankolafy. Nihevitra manko ny tena fa tsy hahavita na inona na inona intsony amin'izay tolona ataony ny ankolafy raha midongy fotsiny amin'ny tsy fandehanana mifidy nefa tsy mahavanona ny hidina an-dalambe. Heveriko fa amin'ny alalan'ny fandrotsaham-bato ihany no famoahana hevitra tsotra indrindra sy tsy hisy mpanelingelina indrindra na iza na iza manomana azy. Mety tsy hisy dikany izay vato iray saingy manantena ihany fa misy ny maromaro mitovy hevitra amiko ka tsy ho very foana izany safidiko izany.

Soa ihany fa tsy nilaza mialoha izay noheveriko hofidiana aho fandrao lazaina fa nanery na nisintona ny ankolafy hifidy izany kandida noheveriko hofidiana izany. Nieritreritra aho fa izay no vita ny amin'ny ankolafy Ravalomanana sy ny tsy fananany sori-dalana mazava. Kanjo tany amin'ilay olona noheveriko hofidiana no niantefan'ny safidin'ny lehiben'ny ankolafy ka dia masa-bary maito kitoza izany, araka ny fitenin'ny ntaolo fahiny. Tafara-dia tsy fidiny
izany. Olona roa no noeritreretiko hisafidianana dia ny n° 7 sy n° 33 satria tsy fifidianana filoha-pirenena no tao an-tsaiko fa fitsapa-kevi-bahoaka ankolaka.

Mila azavaina bebe kokoa angamba io fehezanteny farany nosoratako io. Raha milaza ny hifidy iray amin'ireo olona ireo aho tsy nihevitra aho hoe io olona io no hofidiako ho filoha fa endrika fitakiana ihany no ataoko amin'izany, mety ho zavatra bitika saingy izay no fanehoako ny hevitro. Raha hifidy aho tsy midika fa mety ilay fifidianana ary ho tontosa hatramin'ny farany io fifidianana io fa misy zavatra "tsy ampoizina" hitranga hampihemotra hatrany ny fifidianana eo. Ny hany azo atao dia avelao ny mpifanandrina hatrany no hanao ny fahadisoana hanemotra na hanafoana ny fifidianana dia ho hita indray ny fanapaha-kevitry ny Iraisampirenena hoe hanasazy tokoa ve sa tsy ilay nokendrena hosaziana no mety ho voasazy ka aleo odiana fanina?

Hafatra indray ho an'ireo milaza ny tsy hifidy satria fifidianana tsy izy io dia mariho izao. Tazony izay hevitrao izay ka araraoty aseho amin'ny fotoa-pifidianana mifidy izay olona tsy tian'ireo mpikarakara ireo ho lany amin'ny fifidianana satria tohanan'ny ankolafy tian-dry zareo ahilika tanteraka amin'ny fitondrana ny firenena. Averiko eto indray ny efa nosoratako tany amin'ny tambajotra an-tserasera any hoe itadiavany hevitra hatrany ny fanemorana na fanafoanana ny fifidianana rehefa tsapany fa ho resy izy. Ahoana anefa no hahatsapany fa ho resy izy? Rehefa miray saina daholo ny iray ankolafy fa hifidy olona iray...


Ny Havantsoa !

2013-06-19 @ 16:46 in Andavanandro

Tany am-piasana aho no niantso ramatoa, nanontany raha azoko atao ny mody raha tena tonga ny fanairana farany hankanesana any amin'ny toera-pahasalamana, nilaza izy fa nipoitra ny fambara voalohany. Tsy nanan-kavaly aho satria tsy hanan-tsafidy loatra fa miankina tanteraka amin'ny mpiara-miasa ihany izany. Tsy tonga dia toy ny hoe zo ka ahafahana mandidy hoe handeha hody izao aho fa mihetsiketsika ramatoa fa miandry ny hamoram-pon'ireo mpiara-miasa mivantana, izay tsara fanahy sy mahatsapa ny halalin'ny problema. Milaza fotsiny aho hiomanana, hoy izy, fa miantso ihany aho rehefa tena tsy zakako. Toy ny teny tsotra izany fa mavesa-danja, tsy maintsy lasa ny eritreritra hoe iza no olon-dehibe azo antsoina hiandry azy akaiky.

Nefa etsy ankilany tsy tiany aho hiantso olon-kafa sao manaitaitra amin'ny tsy antony eo, hoy izy namepetra mafy. Rehefa misy tokoa manko ny fanairana ka miantso ramatoa, tsy mana-kosarangotina afa-tsy ny miantso izay olona akaiky afaka mihazakazaka mankany aminy aho raha mbola tsy afa-miala eo amin'ny asako. Fantany tsara io asa io, ka raha miantso izy, dia mikorapaka aho ka miantso izay olona heveriko fa mana-potoana hankanesana any aminy. Izy indray no tezitra hoe tsy dia misy olana lalina loatra nefa mampisahirana olona aho, izay no mahatonga ny fameperana fatratra fa izaho ihany no ilainy hody avy hatrany rehefa tonga tokoa ny tokoa.

Tsy niantso anefa izy mandra-pirava ka nihevitra aho fa tsy dia naninona izy izany. Nony nandodona ny varavarana anefa aho dia gaga fa ny rahavaviny no namoha ny trano. Hay niantso olona hafa izy noho ny fanahiana. Efa tao an-trano ihany koa ny anadahiny faralahy. Efa niandry ahy ry zareo vao nierireritra hoe antsoina ve radoko sa tsia? Sao manko dia manaitaitra olona amin'ny fambara tsy mbola any amin'ny mampanaitra ka mahatezitra olona. Tsy mana-kambara loatra aho, hoy aho nitsotra noho ny tsy fahalalana na tsy fahatsapana, ianao no tena mahalala ny toe-tenanao. Nanontany izy raha misy fahana ny findaiko na tsia, efa tao an'eritreritra ilay hividy fahana fa ilay fotoana mihitsy, na ny asa no marina kokoa, no tsy namela, tsy azo ilaozana, nefa iza moa ny olona azo irahina? Misy ambiny ihany, azo iantsoana fa ahiana tsy ahavitana resaka noho ny halafon'ny sarany. Teo izaho sy razaodahy no tapa-kevitra hijery mpivarotra mbola tratra alina sao mba misy fahana azo hovidiana. Tonga teny amoron'arabe izahay ary nahita mpivarotra iray nisokatra, mpivaro-toaka, fa dia hoe tsy mivarotra fahana ry zareo. Tsy mba misy mitady zavatra hafa ve izany ato amin'ity ranamana mpivarotra ity fa toaka ihany no tadiavina? mampieritreritra na izahay koa moa no tsy mahalala na inona na inona! Nody maina izahay.

Rehefa nitohy elaela teny ny dinidinika dia tsy nety nahatapa-kevitra hiantso dokotera. Ny andro efa alimbe, efa amin'ny folo ora alina, ka aleo aloha matory fa tsy maintsy hitady fiarakaretsaka ihany rehefa misesisesy ny fivonkonana (contraction). Henjana aloha isika Malagasy amin'ity fomba fisainana eo am-pandrasana mahita ny atiny ity. Tsy dia nanahy loatra aho fa diavolana ny andro ka ahatsinjovana ny lavidavitra ihany. Efa nanazava ihany anefa Ramatoa fa raha mbola mitohy ny fisehon'ny fambara dia mety any amin'ny maraimbe any no tsy ho tana intsony ny raharaha, amin'ny efatra ora na amin'ny dimy ora maraina. Tsy nisy loatra ny fitaintainana fa mba efa niomana ihany tsinona. Marihina fa manana fiantso an-taroby izahay fa tsy fantatro mihitsy ny aretiny. Isaky ny fotoana tsy misy ilana azy dia maneno tsara milaza fa malalaka afa-miantso, fa rehefa te-hiantso dia tsy mandeha mihitsy izy io, ary ny olona miantso anay ihany koa tsy mahazo anay ka mihevitra anay ho mamono telefonina indraindray, izay tsy fanaonay loatra. Hita fa tsy azo nianteherana io fiantso an-taroby io tamin'ity alina ity.

Tsy fantatro loatra na tsy nopizin-tory aho na tsia fa rehefa tonga ny sasakalina dia niarina aho fa poritra. Avy any aho dia niarina ihany koa ramatoa ka nanala fahaporetana. Nanontany azy aho raha nahita tory izy na tsia? nihivingivina ny lohany ho entiny milaza ny tsy nahitany tory mihitsy. Nilaza izy fa mihamisesisesy mitohitohy ny mangotika ao an-kibo, fambara fa efa mihamanatomotra ny fotoana. Teo izy no tapa-kevitra hiantso dokotera amin'izay satria hita fa tsy hahatratra ny andro maraina intsony izy ity. Nantsoina tamin'ny laharana voalohany fa tsy nandeha io, nantsoina tamin'ny laharana faharoa fa naneno, noraisin'ny dokotera ny antso. Rehefa nambara ny soritsoritra fambara dia nasainy namonjy ny toera-pahasalamana izahay. Lasa indray izahay sy Razaodahy nivoaka ny trano nitady fiarakaretsaka. Misasak'alina tamin'izany fotoana izany.

Lasa izahay namonjy ny fihaonan-dalana sy arabe falehan'ny olona. Vao niandry kelikely dia indro nisy fiara iray tamy, efa nisy olona teo aloha eo anilan'ny saofera fa raikitra ihany ny adi-varotra. Ny tena moa tsy mana-tsafidy loatra fa ny nampihomehy rehefa vita ny adi-varotra, raha nilazana izy hivily kely fa misy olona alaina, dia novelominy ny fiara, nafindrany ny vitesy dia lalany avy hatrany no notohizany. Gaga fotsiny izahay miaotra nefa afaka ny haninona moa? Mety ho matahotra ry zareo na dia miasa alina aza, na heveriny fa mandany fotoana izany mbola hivily izany (mihevitra angamba ry zareo fa mety mampatahotra ny lalana andehanana ka aleo mailo).

Niandry elaela teo indray fa tahaka ny tsy hisy izy izany. Lasa izahay roalahy somary namonjy fihaonan-dalana hafa heverina fa maro kokoa ny fiara mandalo saingy toa herimpo very maina. Tsy nisy na fiara iray aza niseraana. Tsia, nisy fiaran'ny fivondronana mpaka fako iray nirimorimo tsy hay loatra naninona. Nihodidina nanaraka ny arabe mihitsy izahay fa tsy nisy mihitsy ny fiarakaretsaka nandalo. Nizotra tsimoramora fa mbola eny lavitra eny ny alika no mivovo. Tsy maintsy nizorana ny lalana na dia manaraka akaiky toa handramatra aza ireto alika roa sahala ny tsy matahotra nefa rehefa miherika ianao toa mihemotra ihany ry zalahy nefa dia mbola manohy mivovo hatrany mandra-pahaleony tanteraka na efa nihoatra ny toerana iambenan-dry zareo ny dianay. Tsy nisy niteny izahay miaotra, tsy nisy natahotra loatra fa izy nieritreritra hoe tsy haninona ireo alika ireo satria alika gasy; izaho indray nihevitra fa rehefa tsy manao fihetsika manampoka dia tsy hanao na inona na inona ireo.

Tonga nanakaiky ny tsena izahay fa tsy nankany, somary mampihomehy ihany moa ny amin'izao fotoana izao, ny toerana bebe olona no tena atahorana indrindra rehefa amin'ny alina noho ny fifampiahiahiana sao dia mpanendaka miandry haza ireo olona mitanin'afo tsy manan-kialofana ireo. Efa nahita moa ny tena raha miteny izany satria tsy menatra mihitsy ireo olona ireo ny manendaka rehefa hitany fa mandeha irery ianao na hitany fa ho be noho vitsy ka tsy hahovoka raha misy ny fifampisintonana. Na dia maika sahala amin'inona aza, tsy fanao ny mitonatonana tahaka ny lolofotsy manatona afo hahamay azy. Lasa indray namonjy ny toerana voalohany niandrasana fiara. Mety hampihomehy ihany moa raha ny biby mety handramatra indray no atahorana noho ny olona saingy noho ny fahafantaran-javatra sy noho ny zava-misy iainana no antony. Efa nisy niherikerika aza ry zalahy fa nifampitazan-davitra ihany no natao.

Nizotra tsimoramora izahay nananika ny vohitra mangina tsy nisy tapikan'olona ankoatra anay sy ny fandrenesana vovon'alika any ambadika any an-tananan'olona any. Vao lavidavitra tsy ahatongavana teo amin'ny toerana niandrasana fiarakaretsaka voalohany izahay dia nahatsipalotra jirom-piara nipendrapendrana. Nampisy fanantenana teo aminay ny fahitana jiro tahaka izany. Somary nandeha mafimafy izahay fandrao mba fiarakaretsaka azo iresahana. Maherihery ihany ny jiro ka azo novinaniana fa tsy izay notadiavina io, fiaran'ny polisy ilay izy. Hita ihany anefa fa misy fiarakaretsaka iray teo akaikiny. Natoninay ilay izy. Mbola niresaka tamin'ny polisy tao anatin'ilay fiara tsy mataho-dalana ny saofera sy ny iray amin'ireo mpandeha tao anatiny. Natoninay sy nanontaniana raha afa-mitondra olona mankany amin'ny toera-pitsaboana fa namaly ilay saofera hoe izahay aza mbola sahirana be tamin'izay nanjo anay koa.

Teo dia toy ny nifampiandriandry kely teo. Naka laharam-pinday tamin'ny polisy ilay saofera. Nihevitra izahay fa tsy ho afa-mitondra anay ireto ka naleonay nihataka teny am-pita. Heno ihany anefa ny tenin'izay mety ho lehiben'ireto polisy manao fisafoana amin'ny alina ireto tamin'ny olona sy ny saoferan'ilay fiarakaretsaka nanao hoe andao ary araho tsimoramora avy ao aoriana izahay. Nitodika taty aminay ihany koa ilay mpibaiko sady niteny taminay hoe :" Mandehana mody any an-trano sao dia voatifitra eo ihany koa". Mba nahagaga anay ihany izany fitenenana izany satria misy antony anie matoa voatery mivoaka alina tahaka izao.

Raha mbola teo am-pijerena ny fandehanan'ireo fiara roa nidina tsimoramora izahay no naneno ny kiririokan'ny finday. Ramatoa no niantso raha efa nahita fiara izahay na tsia. Mazava loatra ny valin'ny fanontaniana. Nilaza izy avy eo ny hiantso ny rahalahiko ara-panambadiana iray manana fiara, monina tsy lavitra anay. Noho ny tsy hanelingelenana olona amin'ny torimasony loatra no tsy niantsoana azy hatrizay fa rehefa sehatry ny tsy azo anoharana tsy maintsy miditra amin'izay ihany. Vantany vao vita anefa ny resaka dia indro nisy fiara nisosososo avy any. Notsinjovina ka indro hita fa fiarakaretsaka. Nosakananay avy hatrany. Nisy olona anefa tao anatiny ka saiky hihemotra izahay satria tsy ho antonona anay raha hifampisisika eo. Nilaza ny saofera fa efa tonga indrindra ny mpandehany ka azo atao tsara ny miady varotra. Raikitra moa ny fanondroana toerana sy ny fanombanana ka rehefa tsy dia manararaotra loatra dia tsy mampaninona anay fa nilazana ilay saofera hoe misy olona tsy afa-mandeha lavitra tsy maintsy alaina ka azo atao ve ny maka azy. Nanontany izy raha misy azo ihodinana any dia novalianay hoe misy mihitsy moa izany. Dia nanaiky izy ka lasa izahay, nantsoina ramatoa hiomana fa efa nahazo fiara sy hilaza amin'ilay nofohazina alina hiverina hatory sy hankasitraka azy saiky hanatitra anay.

Eto angamba no hanao fonon-teny kely momba ilay fiarakaretsaka sy fiara tsy mataho-dalan'ny polisy aho. Azo atao tsara manko ny manombana fa ry zareo tanaty fiarakaretsaka ireto ilay notantarain'ny gazety, raha jerena ny andro sy ny toerana nitrangan'ny voina, fa voafitaka sy voatafika ry zareo tany Ampasapito tany. Nanakana teny an-dalana toy ny mpandeha tsotra ry zalahy hay mpanendaka, ka lasany avokoa ny teny amin'ireo mpandeha sy izay mba zavatra nentiny. Noho izay toe-javatra izay no nanakanan-dry zareo ilay fiara tsy mataho-dalan'ny polisy saiky hisongona azy ireo hitantaran-dry zareo ny zava-nanjo azy. Tombatombana ihany anefa ny ahy fa tsy naharaka loatra ny resaka izahay tsinona. Mifarana ny fononteny.

Izahay mivady ihany no nandeha ho any amin'ny toera-pahasalamana. Teny an-dalana indray dia nisy fiarakaretsaka iray nijanona afovoan-dalana ary miresaka amin'ny ao amin'ny fiara tsy mataho-dalan'ny polisy indray koa ny saoferany. Zotran'ny hifanena aminay ilay fiaran'ny polisy. Tsy tandriandriko na ilay efa hitako teo ihany ireto na hafa indray. Eo amoron-dalana akaiky dia akaiky eo anefa misy dabam-pako sy olona vitsivitsy misomokotra ao anatiny ary misy afo arehitr'ireo olona ireo hamindroana angamba. Nasaiko hisongona hatreo ankavanana moa ilay saofera sao manko mbola ho lava ny resaky ry zareo nefa ny tena ao anatin'ny hamehana ihany koa. Mba nitantara ilay zavatra vao niainana efa notantaraiko tao alohaloha tao aho.

Ela ny ela tonga tany amin'ny toera-pahasalamana ihany izahay rehefa somary nanivaka niakatra tamin'ny lalana tokony ho fidinana ihany ny fiarakaretsaka nitondra anay. Novohan'ny mpisahana ny fiambenan'ny tobim-pahasalamana ny vavahady rehefa nanontaniany ny anton-dia izahay ka namaly azy ireo tsotra ny saofera. Nijanona ny fiara, nivoaka izahay mbamin'ny enta-kely efa niomanana dia notarihan'ny mpiambina ho any amin'ny sampan-draharaha tokony andehananay. Natondrony anay hoe ao amin'ny farany ao ny mpampivelona dia lasa izy niverina nankany amin'ny toerana misy azy indray. Lalantsara fotsiny no misy anay, ary tsy misy olona hitanay mba azo natonina. Toa mihidy avokoa ny varavarana ka tsy misy azo nanontaniana. Saika natao ihany ny handodona teo amin'ny efitra fandroana (zazakely) satria io ihany no somary mitanilanila saingy feno fisalasalana tanteraka ny tena. Noteteziko indray ny lalantsara ary nidina thatra mihitsy aza fa mbola tsy nahita na iza na iza ihany. Nifanena tamina mpiambina hafa nanara-maso ny fanorenana lehibe indray aho ary mbola ny toerana ihany no natondrony. Dia nihazohazo nandritra ny fahefatr'adiny teo, miandry izay olona hafa afa-manondro tsara izay olona tokony handray anay.

Fotoana vitsy taorian'izany, indro tokoa fa nisy ramatoa iray lasa namonjy toera-pidiovana, angamba, dia izy no nandrasana ka hanontaniana rehefa miverina avy any raha mbola tsy misy olona hafa miserana. Efa nantsoina ihany koa ny dokotera hoe efa tonga izahay. Nilaza izy ny hiandrasana azy eo amin'ny rihana voalohany. Efa eo indrindra izahay fa ilay olona handray mihitsy no tsy hita. Ela ny ela fa nipoitra avy any ihany ilay ramatoa nandrasanay mba hanontaniana. Rehefa nanontany azy izahay dia tsy nisalasala izy ny hanampy ka tsy niahotrahotra nandondona tsimoramora teo amin'ilay varavarana somary mitanilanila efa voalaza etsy ambony ihany. Notenenin'ilay ramatoa amin'ilay namoha ny varavarana fa misy olona mitady azy. Nojeren'ilay namoha trano izahay ary nasainy hiroso any amin'ny efitrano fanaraha-maso (monitoring) somary ao amin'ny lalantsara ankilany. Nampidirina tao an'efitra izahay ary nakarina ho eo am-pandriana ramatoa ijerena raha tena akaiky dia akaiky ny fotoana na somary miandry ora vitsivitsy. Rehefa narahina teo dia hita fa efa mananontanona ny fahatongavan'ny vahiny ary nasaina nifindra tao amin'ny efitra fampiterahana izahay.

Tonga tao izahay dia nasaina novononina avokoa ny fitafiana rehetra handraisana ny vahiny. Efa eo amin'ny toerana misy azy ihany koa ramatoa, matory eo am-pandriana avoavo. Maherin'ny amin'ny roa sy sasany izay fotoana izay, nasiana serum ramatoa ary nametrahana oksizena ihany koa ny orony. Tonga avy any ihany koa ny dokotera, izao izany ho'aho ny asan'ny dokotera fa antsoina andro dia andro, antsoina alina dia alina. Misy ihany koa ny fampakarana ny tongony roa eo amin'ny andry roa fasiana tongotra andaniny sy ankilan'ny fandriana fampiterahana, dia misy fehiny hoditra roa miaraka amin'izany tsy hialan'ny tongotra amin'ireo andry avo fitoera-tongotra roa ho an'ny mpiteraka ireo. Manontany hatrany ny mpampivelona raha efa poritra na tsia. Nasainy niteny ramatoa rehefa mahatsiaro poritra hiomanany, miandry avokoa ny rehetra. Miandry ny tenin-dramatoa, indray mandeha no niserana ny fahaporetana fa teo amin'ny faharoa vao tena izy amin'izay.

Nohodidinin'ny mpitsabo manatrika eo anoloana, ny mpampivelona eo ankavian'ny mpitsabo ary ny mpanampy mpitsabo na mpanampy ny mampivelona eo ankavanan'ny mpitsabo, izay efa vonona hitondra ny zaza ao amin'ny efitra fanadiovana, ny mpiteraka. Izaho kosa nankeo ankavian'ny mpiteraka, mety hoe hibitsika na hiteny na hampahery, izay rehetra azoko atao eo akaikiny eo. Efa nanontany azy aho raha alaina sary ny fiterahany na tsia fa tsy nanaiky izy. Nipirina izany ny finday saiky hanaovako izany. Mandrisika ihany moa no tena ataon'ireo manodidina ny mpiteraka ary notenenina izy tsy hanena mamoaka feo, izaho hatrany moa no mamerina ny hafatrafatra tahaka izany eo akaikiny eo. Nasaina nataony lavalava ny fanenany, nampirisihana hatrany izy hanao izay fihetsika izay. Indro fa manomboka mipoitra ny lohan'ny zaza. "Izay!" hoy ny dokotera, "manao toy izay indray mandeha dia vita amin'izay". Nanena lavalava fanindroany ramatoa, tafavoaka soa amantsara ny zaza, mbola mangamangana ary mbola tsy nahatomany. Nokapokapohan'ny dokotera mafimafy tao aoriana tao ny zaza vao re ny tomaniny, tamin'ny telo ora sy fito minitra izay fotoana izay. Nalain'ilay mpanampy ny mpampivelona ny zaza hampandroana na hosasana. Miandry ny ilatsahan'ny tavony indray ny dokotera...

Tahaka izay sy tahaka izay leitsy ny fomba nahaterahan'ialahy ry Ny Havantsoa, tsy fahaterahana misy fahagagana na miavaka tahaka ny inona fa toy ny fahaterahan'ny olona rehetra ihany. Tsy fitantarana am-bava fa noraiketin'ny rain'ialahy an-tsoratra fa izay tian'ialahy anontaniana azo valiana am-bava ihany rehefa lehibe ialahy. Tsy nafenina anaty diary izay mety tsy hisy mamaky intsony na mety ho very na mety ho levon'ny afo fa tahiry nomerika no mitahiry azy ho an'ialahy. Mihevitra ihany aho fa sambatra ialahy, voantantara sy azo iverimberenana vakiana ny tantaran'ialahy satria tiako sy faniriako raha mba tompon'ny tantaran'ialahy ialahy. Asa raha voatantara toy izany ny nahaterahan'ireny zanak'andriana fahiny ireny na tsia, fa dia indro aloha fa maro ny zavatra voasoratra nialoha sy nandritra ny fahaterahan'ialahy mandra-pitomanin'ialahy ho fiarahabana ny tany. Ampiako kely hoe teraka 12 andro mialoha ny iheveran'ny siansa ho mety iterahan'ialahy ialahy. Niaritra zavatra maro ny renin'ialahy nandritra ny fotoana nahabevohoka an'ialahy, nampian'ny fintaintainana maro sy ny fanahiana, saingy teraka soa aman-tsara ihany ialahy. Isaorana anie Andriamanitra!

Jentilisa
18 jona 2013
(nosoratana manontolo tamin'ny solaitra nomerika [tablette])

 

Ratsiry mpanety

2013-03-04 @ 02:57 in Andavanandro

Lozanao ry Fiainana, lozanao ry Fahafatesana. Saingy lozanao dia lozanao indrindra ry Fialonana sy ry Fahasahiana mamono olona vokatry ny Fialonana. Mampahatsiahy ny tantaran'i Kaina sy Abela ity tantara ity. Tsy hoe ny rahalahiny no namono azy, fa raiso amin'ny hoe mpiray tanindrazana aminy ihany no namono azy ary ao amin'ny baiboly kristiana dia toy ny rahalahy ihany no iheverana ny hoe mpiray tanindrazana. 


Olon-tsotra iray, tena azo lazaina fa ao anatin'ny antsoina hoe sarambambem-bahoaka, tsy mba manana kaonty facebook. Tanora efa matotra satria nandingana ny fahaefapolo taonany, mpanaraka ny fivavahana Eglizy Katolika Apostolika Romana raha ny tsipalotro avy amin'ny firesany. Tsy fantatra akory izay tena anarany iray manontolo fa dia izay hoe "Ratsiry Mpanety" izay ihany no mba ahalalako azy. Raha mba nanao fitadiavana tamin'ny google aho ka io lohateny io no nampidiriko tao tamin'izaho nanoratra ity tsanganana bilaogy ity dia filazana fodiamandry avy ao amin'ny kaonty Facebook-n'ny Bandin'ny Bond (mizara secteur 5 na 6 ny fokontany 67ha avaratra andrefana ka secteur voalohany izany hoe Bond izany - I - II - III - IV - Bloc ary IVO izany fizarazarana izany) ihany no hany valiny tokana nivoaka. Malaza amin'ny fanetezana izy ary sahiko ny milaza fa sangany eto amin'ny firenena izy raha amin'io taranja iray io saingy folaka an-dantony ny lehilahy. Vao nisandratra sy nivelatra dia notapahina sahady halazo. 


Fitantarana nataony tamina namana mpiara-miasa, izay mpihety ao aminy, no nandrenesana fa ao amin'io mpanety io ihany no mahazatra ilay mpihira malagasy fanta-daza hoe Firmin. Indray mandeha tokoa raha hiseho sehatra tamin'ny fahitalavitra ity mpihira ity indray Asabotsy dia izy no teo alohako tamin'ny filaharana; ary voalaza fa isaky ny hanao fampisehoana ity artista ity dia mihety ao ny marainan'ny fampisehoana. Niteny, hono, ilay artista fa ao amin'ity mpanety voatonona anarana ity ihany no mahay manety ny volony. Ny rahalahiko iray tampo amiko izay monina any Toliary, dia nitady izay heverina ho mahay manety tao amin'ity  tanan-dehibe iray ity fa tsy mahasahy miditra mpanety any fa isaky ny tonga eto an-drenivohitra ihany vao mihety ao amin'ity ranamana iray ity. Hevero anefa fa amam-bolana ity rahalahiko ity vao miakatra aty an-drenivohitra dia azonao vinaniana avy amin'izany ny halavan'ny volony rehefa tonga aty izy fa dia teny fohy dia fohy tokoa ny volo ny ampitson'ny ahatongavany eto.


Inona no mba fantatro aminy? Lehilahy fotsifotsy kely izay izy. Mipiripirina  fa tsy mba mpihetraketraka. Matotra amin'ny asany izy satria mitandro ny fahadiovan'ny fitaovany ankoatra ilay fahaizany mihety. Mipetraka any Ankadindratombo, kaominina Alasora, fa any 67ha avaratra andrefana, tanàna nahabe azy ihany no tena mahazatra azy amin'ny fanetezana sady ahalalàn'ny olona azy. Ny tena mahavariana dia na dia nasondrony 2000 ariary aza ny fihetezana tao aminy, izay azo atao hoe lafo ary tsy misy loatra ny mahasahy mihety amin'izany sara izany dia mbola mankao aminy ihany ireo izay efa zatra nihety taminy satria ao ihany no mahafa-po ireo mpihety aminy. Ny mpihety hafa anefa dia 1000 ariary ka hatramin'ny 1500 ariary no fihetezana, ary 1700 ariary no hitako lafo indrindra nefa tsy nahafapo ahy mihitsy fa tonga amin'ilay fitenenana hoe mba nohetezana ny volo. Andro andavanandro izy, amin'ny ankapobeny no azo alaina hihety fa rehefa andro Asabotsy kosa dia tsy manaiky mihitsy fa tsy maintsy milahatra ao amin'ny trano fiasany daholo. Ny toera-piasany kosa dia tsotsotra ihany, tsy tranohazo anefa fa trano biriky. Tsy mampatahotra ny olona tsotra no miditra amin'izany toerana izany ary tsy mahamenatra ny mpanankarena ihany koa.


Inona no notantaraina tamiko? Tsy misy mampatahotra azy ny kopim-bolo rehetra fa na dia vao lamaody any ivelany ireny aza dia efa hainy sahady. Voalaza fa tsy dia nianarany izany fanetezana izany fa toy ny tonga dia ao anatin'ny rany mihitsy, toy ny talentany avy hatrany. Raha nihety farany tao aminy ity namana mpiara-miasa amiko iray, dia niresaka, hono, ilay mpanety fa efa lasa alain'ny Karana hihety any aminy ilay mpanety ary tsy vola kelikely no omen'ny (na ilay) Karana azy. Fiarakodia 4X4 mihitsy no akàna azy. Ny mpamilin'io Karana io no mpihety tao aminy, ka angamba noho ny fahitany ilay vola tsara hety no nahatonga ny patiraony nanontany hoe iza no mpanetiny sy ny hoe azo alaina hihety azy any an-tranony ve ilay mpanety. 


Ahiahiko, olona manodidina sy mpifanerasera aminy ihany no namono na nampamono azy satria mandeha ny asan'ity ranamana iray ity. Olona mailo sy mahafantatra ny toerana atahorana rehetra ao 67ha manko izy ary milaza amin'ireo mpihety tratra hariva ao aminy ireo toerana tsy azo andalovana sy mampidi-doza ao amin'io faritra io. Mahavariana ihany anefa ny nandrenesana fa maty nisy namono hariva tany 67ha atsimo izy. Tsy mampino ny nahafatesany.


Alahady harivan'ny 3 marsa 2013 aho vao nahare ny fodiamandriny raha ny alatsinainy 25 febroary 2013 kosa no voalaza ho nahafatesany ary ny alarobia  27 febroary kosa no nandevenana azy. Mampahery ny fianakaviana ary indrindra ny vady aman-janaka izay nilaozany tsy satry.



Jentilisa 4 marsa 2013 amin'ny dimy latsaka dimy maraina

Trondro sy haranjono

2013-02-27 @ 21:08 in Andavanandro

Noho ny fitiavana mamaky teny fahatanora dia tsaroana fa nisy fomba fiteny� shinoa iray izay mitovitovy amin'ny hoe raha noana ny namanao omeo trondro izy,� raha te-hihinana trondro isan'andro kosa izy omeo haranjono. Nifanahatahaka tamin'izany ihany koa ny an'Andrianampoinimerina fa raha nisy tantara novakiana hoe raha nisy olona nankao aminy ka mangataka aminy dia omeny angady. Fehin'ireo ohatra roa noraisiko ireo dia ny olona hendry manoro lalana ny namany amin'ny tokony hiasan'ilay namany ary manome fitaovana ahafahany manao izany asa izany ho fivelomana maharitra ka tsy hiantehitra amin'ny hafa intsony.

Fa raha mitodika ny amin'izao fotoana izao kosa, moa ve mba hita taratra amin'ny fanaon'ny olona, ary indrindra ireo Olobe eto amin'ny firenena,� izany fomba fisainana izany? Manontany satria toa zary fomba fanao ilay fampianteherana ny olona amin'ny zavatra kely tsy mahavita taona, tsy mahavita iray volana na herinandro akory aza. Dia rehefa lany iny dia ahoana indray ny tohiny ? Ho tonga indray amin'ny fanampiana vonjy tavan'andro ve ? Ataoko fa raha tahaka izany hatrany no atao dia ho sorena ihany ny iafaran'ny mpanome.

Etsy andaniny ny Malagasy ihany koa olon'ny fo ka midodododo rehefa misy ny tra-boina saingy mailo dia mailo amin'izay iafaran'ny fanomezana ataony. Efa tsy miresaka intsony aho eto hoe angaha tsy misy ny teti-bola manokana ho fanampiana izay tra-boina tahaka ireo nandalovan'ny rivo-doza tany amin'ny faritra atsimo andrefana sy ny manodidina azy. Sa moa efa akaiky ny fifidianana dia lazaina fa vola manokana indray izay tokony ho avy amin'ny volam-bahoaka ? Raha tena tiana tokoa ny handrosoan'ny faritra rehetra manerana an'i Madagasikara, tsy aleo ve omena fitaovana sy fahalalana hanorenana foto-drafitrasa mafy sy manara-penitra (indrisy lasa fomba fanesoan'ny sasany ity fomba fiteny malagasy nanana ny hajany ity) enti-manohitra sy misoroka ny karazan-doza voajanahary tsy maintsy handalo isan-taona ny olona sy ny vondrom-bahoaka itsinjara-pahefana na ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana.

Ny toe-tsain'ny maro mihitsy manko no efa simba ka ny mankany amin'ny fandrosoana indray no hala fa ilay tia kely no mahafinaritra. Tamin'ny fitondrana teo aloha,� raha nisy ny nanangana trano mahazaka ny fifofofofon'ny rivotra mahery dia toa tsy narisika ho amin'izany ny maro satria tsy hisy intsony ny fanampiana rehefa tsy rava trano. Lazaina fa mitetika ny tsy hanao fanampiana intsony. Niady hevitra mihitsy aho tamin'izany fa maro kokoa ny namaly nanao hoe : ' Tsy dia misy ilaina izany loatra sady tsy hohenoin'ny olona amin'izany ianao satria ny hahazo fanampiana ihany no tena mahamaika ny olona. Tsy maintsy hisy hatrany ny hidodododo hitondra fanampiana fa mba hafa ihany koa izany mahazo zava-baovao tsy nisasarana loatra izany'. Tsy niteny intsony aho na dia mihorakoraka mafy tsy mety manaiky izany fomba fisainana izany aza ny ao anatiko ao .

Hoy ilay eritreritro hoe dia tena izany tokoa ve no tena izy sa atao izay ampisainana ny olona ho amin'izany satria raha misy ny fanampiana dia tsy resy lahatra loatra aho fa ho tonga any amin'izay iantefany avokoa ireny. Manahy aza aho fa ny potipotiny sisa no tonga any,� raha ho tonga aza. Lasa any amin'ny tantara iray ao amin'ny baiboly ny saiko hoe lasa mivarotra ny fizokiana amin'ny zava-matsiro vetivety tahaka an'i Esao tokoa ve ny Malagasy? Firenena voasafotry ny reniranon'i Neily hatrany i Ejipta fahagola fa ny fitadiavany tsy mitsahatra ny vahaolana tsy hahapotika ny voliny sy ny fonenany no naha-firenena goavana azy fahagola . Tsy ny fahiny ihany fa na ny ankehitriny aza . Firenena anjakazakan'ny fihovitrovitry ny tany i Japana fa tsy nanakana azy tsy ho firenena mandroso izany satria ampiasainy ny sainy hikaroka ny vahaolana amin'ny voina tsy maintsy mandalo amin'ny taniny . Fa isika kosa ary mba aiza ho aiza amin'izany?

Jentilisa, 27� febroary 2013

Tarehintsoratra 3896
Voambolana 605

 

An-Tsary Nandritra ny Noely

2012-12-26 @ 21:17 in Andavanandro

Somary sahirana nanao ny lohateny satria tsy mitantara ny noely fa mitantara an-tsary ny nitranga nandritra ny noely na krismasy. Mety ho sarotra azo ny resaka fa dia aleo ny sary no hilaza azy!

Na ny tamboho ankavia na ny tamboho ampita ankavanana samy tambohon'ny tsenan'Andravoahangy avokoa

tazana ery alavitra ery ilay tilikambon'i orange an-dalam-panamboarana sy kendrena ho trano avo indrindra eto Antananarivo sy Madagasikara

Mbola tsy nahita na mbola tsy nilazana ny fisiana karazana zaridaina eo amin'ny rano manasaraka ny tsena atsinanana sy ny tsena andrefana eo Andravoahangy angamba ianareo. Vitsy ihany koa ny hahatsikaritra azy afa-tsy efa nasiana serasera manokana momba azy ity. Tsara ilay ezaka fa hita hoe mbola mila fampivoarana sy fikarakarana matotra na dia somary faritra be korontandrotana aza ny manodidina azy. Azo lazaina ho tsara aro ihany manko satria karazany voafefy ihany ity amoron-dranon'Andravoahangy ity.

Toa feno mpivarotra ihany nefa krismasy ny andro. Midìka fa tsy ny rehetra no mankalaza ny krismasy

Dia raha izao no misy sarety na posy dia miakatra ho azy ilay fahatezerana ao anaty

Fa efa masaka ao an-tsaiko hatrany ny hoe tsy tsara asiana tsena an-kalamanjana intsony i Antananarivo raha tiana ny mbola haha-renivohitr'i Madagasikara azy, na anaty fefy io na ivelan'ny fefy, fa tsena sy fivarotana anaty trano sisa azo ekena... ka ny fepetran'izany tsena na fivarotana anaty trano izany dia ny fananany efitra fidiovana manara-penitra ao aminy. 

Tsy avy ny orana taty amin'ny faritra andrefan'Antananarivo ka nanome lanitra mahatsara vahiny

Tsy ny vahiny ihany angamba no tsara jerena fa ny tontolo manodidina mihitsy

Efa amin'ny enina ora sy sasany hariva, vitsy sahady sisa ny olona eny an-dalana raha oharina amin'ny andavanandro, vitsy koa ny fiara mpitatitra ka namilafila... indrindra ireo tokony handalo an'Anjanahary na Andravoahangy tsena

Nohararaotina ny naka sary ilay fotoana mba ho toy ny niavaka kely

Fa na eo aza ny ezaky ny olombelona hanatsara ny manodidina azy. Hafa ihany ry zareo ilay vita-nanahary na dia mahazatra loatra eo amin'ny fiainana aza ny mahita azy. Efa tsy mba fahitanay noho ny asa intsony izany filentehan'ny masoandro izany hany ka finaritra sy toy ireny sambany vao mahita zavatra mahafinaritra izany. Soa fa tsy dia ratsy loatra ilay faka-tsarin'ny finday dia mba azo ihafiana ny navoakany.

 

Mirary fety sambatra ho antsika rehetra amin'ity faran'ny taona ity!

 

Jentilisa 26 desambra 2012

 

Sarin'ny Androm-pitokonan'ny UCTU teto Antananarivo

2012-11-20 @ 08:47 in Andavanandro

Tsy nahafantatra aho noho ny tsy fanarahako vaovao amin'ny fahitalavitra sy fandefasam-peo loatra hoe nisy fitokonan'ny fitaterana eto Antananarivo anie androany. Indreto sombin-tsary tamin'izay niainan'ny mponina teto Antananarivo.

Teo amin'ny fiandrasana taxibe Masikara.

Somary nikisaka eto moa ny fiandrasana ireo fiara mpitatitra,

Tsena ilay toerana ka somary malotoloto ny faritra e!

Fihodinana eo Andravoahangy, ahitana fiara fitateran'ny UCTS (fitaterana Suburbaine), mijanona ery lavidavitra, tsy misy miantsoantso ary tsy mijanona ela amin'ny toera-piatoana iray. Mifamoivoy ny fiarakaretsaka izay inoana fa nahazo betsaka androany.

Ankoatra izay somary malaladalaka ny lalana satria ny fiantsonan'ny fitaterana ny antony iray mampitohana azy isan'andro.

Ambatomitsangana

mmiova toerana kely

Andravoahangy mbony

Mitodika ho any Antaninandro, tsy ahitana na dia fiara fitaterana iray aza!

Eo amin'ny fihodinan'Antaninandro, tsy ahatarafana fiara fitaterana ihany koa,

Tsy fandalovan'ny fiara fitateram-bahoaka loatra ny mankany, fa nalaladalaka ihany tamin'ny fandalovana teo...

Fa indro misy taxibe UCTS iray koa izay tsy nametraka ny laharana sy ny toerana izorany sady tsy misy miantsoantso ihany koa.

Jery hatreny amin'ny tetezan'i Behoririka

Fiara iray ifandrombahana [UCTS] vao maraina

Ireo karazam-piara miasa, izay zatra ny eto Antananarivo mahafantatra fa tahaka izao ny zotra Suburbaine

Ireo manantena fa mbola hisy fiara handray azy ireo!

Eny Soarano-Antanimena

Be olona sy fiara mifamoivoy

Soarano akaikin'ny Building Ramaroson

Tsy tambo isaina ny olona mivezivezy hatrany

Lalana fandehanan'ny zotra fitaterana etsy Ambodifilao

Malalaka

Olona mandeha an-tongotra sy ahitana ireo manantena ny handray fiara hatrany

Toera-pitohanan'ny Fiara fitateram-bahoaka ihany koa eto fa androany kosa...

Miha-atoandro ny andro dia mihamaro kokoa ireo fiara UCTS miasa...

Na hoe miasa toy ny mahazatra azy ireo ry zareo!

Mandritra izany fotoana izany, miasa tsimoramora manala ireo mpivarotra amorony na anaty lalana ihany koa ireo mpiasan'ny kaominina. Olana andavanandro fahita eto Antananarivo. Ny faritra Masikara nakana ny sary voalohany androany ihany no hamaranana azy sady fotoana samihafa ireo!

Na izany na tsy izany, heveriko fa tsy hahavita izany fitokonana lavareny tsy mana-pahataperana izany ireo mpitokona ireo satria tsy maintsy mitady vola ho an'ny ankohonana ny tsirairay! samy mahazaka andro iray na ny mpandeha an-tongotra na ny mpitatitra fa samy tsy hahazaka andro faharoa na fahatelo izany fa hitsaitsaika hiditra hiasa ihany ny mpitokona, raha ny fihevitro manokana!

 

Jentilisa 20 novambra 2012

 

Alarobia Maizina! Famantarana ve?

2012-10-27 @ 07:31 in Andavanandro

Hotsarovan'ny mponina eo amin'ny tantarany ny toe-javatra nitranga tamin'ny alarobia  24 oktobra lasa teo teto Antananarivo. Tsy fantatro aloha izay nitranga talohan'ny nahaterahako sy nipetrahako tamin'ity renivohitr'i Madagasikara ity fa hatramin'izay niainako tsy mbola nahita ny toy izany mihitsy aho. Tantara iray hita tamin'ny Baiboly no nisy nitovitovy tamin'izany saingy be ny olona no tsy mino fa mety hisy ("possible") ny toy izany, sady nentina nilazana fa tsy milaza ny marina io boky iray asandratry ny kristiana io fa manamboamboatra ny zavatra soratana ho feno fahagagana fotsiny. Raha ny zavatra tsikaritro anefa dia tsy tamin'io andro io ihany no nisy toe-javatra hafahafa fa efa nisy hafa koa tamin'ny faran'ny herinandro na dia mety ho tsy dia betsaka aza ny nahatsikaritra, saingy nisy dia nisy tokoa ny nahita. Atomboka amin'io nolazaiko farany io ny resaka :


Tamin'ny (farany sa fiandohany?) herinandro tokoa ary, efa nanantena orana fatratra ny olona noho ny setroka efa manempotra dia manempotra tokoa an'Antananarivo. Tsy izany akory no faratampon'ny setroka raha ny fitadidiako satria mbola nahatazana tsara an'i Manjakamiadana izahay raha mijery fa ny tamin'ny 6 novambra 1995 na tamin'ny nahamay ny rova tsy nahita ny nahamay an'i Tranovola izahay (hatreny 67ha) ary tsy tsaroako loatra na nahita nanjavozavo na tsia ny fahamaizan'i Manjakamiadana ihany koa. Ny tany an-tanàna lavitra ambony tendrombohitra no mety ho nahita ny mazava noho ny haintrano fa izahay aloha dia sarotra ny nahita azy. Amin'izao fotoana izao kosa hita ihany ny lavitra fa dia manjavozavo hafahafa noho ny setroka fotsy mitady hivadika ho loko volombatolalaka. Nitady orana izahay, fa tsy nety nirotsaka teto Antananarivo izany. Nisy ny olona no nanesoeso hoe lasa tsy mahay mamantatra ny toetr'andro intsony ny ao amin'ny sampan-draharaha misahana izany fa niteny hoe "ho avy! ho avy!" kanjo tsy nety ho avy. Tsy ny mpisahana izany no tsy mahay fa ilay setroka mihitsy no manakana ny orana tsy hilatsaka. 


Ny teto Antananarivo no tsy nilatsaka ny orana fa re kosa hoe avy ny orana tany amin'ny manodidina sy ny faritra hafa. Tonga ary ny alina fa akory ny hagaganay izay mpirava taraiky amin'ny valo ora fa nisava ny setroka teto Antananarivo. Ny mahavariana dia izao: tany amin'ny 30 kilometatra miala an'Antananarivo any ireo faritra nilatsahan'ny orana ireo nefa dia nahasava ilay setroka teto an-tanàna. Mba nisava kosa ny setroka, hoy izahay, na dia tsy nisy orana aza teto an-tanàna fa ny mahazatra, raha lazaina ihany koa hoe mahazatra, dia rehefa mirotsaka mihitsy ny orana eo amin'ilay faritra vao mampadio ny rivotra iainana izany. Izay angamba ny endrika hitamason'ilay hoe mamelombelon'aina ny zavamananaina ihany koa ny filatsahan'ny orana. Teto kosa : nisava tsy nisy orana ny teto Antananarivo. Hita tsara toy ireny mahafinaritra ireny raha alaina sary amin'ny alina ny renivohitra. Izaho manokana nieritreritra tao anatiko tao hoe mba hafa kosa izany! Efa mpitranga taloha ve fa tsy tsikaritro sa izay vao nisy toy izany? Tsy afa-mamaly io fanontaniana io ny tenako. Hita tsara avokoa ny jiro mirehitra amin'ny alina ary mazava tsara tahaka ny "carte postale" ny mijery ny rovan'i Manjakamiadana.

 

Tamin'iny alina indray mandeha iny ihany no nisava tahaka izany ny tany sy ny lanitra fa vao nigadona fotsiny ny maraina (maraimben'ny alatsinainy!!!) ary tsy mbola niposaka ny masoandro dia efa hita sahady indray ny tontolo manjavozavon'ny setroka teo an-drenivohitra izay mampafana ratsy hatrany ny eto an-tanàna. Tsy zavona voajanahary manome ando isa-maraina ilay zavona fa ilay mampafana manempotra ireny. Tsy mbola miposaka ve ny masoandro dia efa mafana tahaka ny any amorontsiraka ireny? Toe-javatra iray mahavariana io fa mety ho tsy tena nanaitra loatra. Tahaka ny hoe famantarana io amiko saingy fomba fijery manokana tsy hanereko anareo mpamaky izany.


Dia tonga ity alarobia, somary mangatsiaka hafahafa ny maraina saingy tsy nivonona hitondra akanjo mafana, satria fantatra fa tsy maintsy hafana io andro io rehefa hisandratra ny masoandro. Tsy diso no eritreritra fa tena nafana ratsy ilay andro ary tonga amin'ilay tena mahakamo mandeha an-tongotra ireny, na miresaresa fandeha rehefa tsy maintsy handeha. Taorian'ny fisakafoanana sy ny fakana aina vetivety dia hita avy hatrany fa mitanik'orana ilay andro izany hoe tokony ho avy mihitsy ny orana amin'ilay hafanana. Efa nivonona hitondra elo ny tena noho izany. Teo ampikononkononana rahateo dia nahjita fa efa maizimaizina ilay andro ka nieritreritra aho hoe ho avy sahady ve izany orana izany? Lasa aho nivoaka niandrandra ny lanitra, tsy hitako ilay mahamaloka dia maloka ny andro raha tazanina, toa tsy hitako akory izay rahona matevina fa lokon-drahona fotsy manopy volombatolalaka ranoiray, vokatry ny setroka fa tsy natoraly, toa mbola ahatarafana ny hamanga tanora ny lanitra aza no hitako manakona ny masoandro. Raha jerena amin'izao ho'aho mety ho hariva dia hariva ny orana vao hirotsaka ka ny fieritreretana izany angamba no nanadinoako indray ilay elo saiky hoentina. An-dalana hiasa aho moa vao nahatsiaro ny eloko sy ny fanalahidin'ny fiasana koa, saingy tsy nanosika ahy hiverina haka ireo fitaovana roa ireo izany fa nanohy ny diako aho fandrao tara fidirana, sady tsy miasa irery aho fa natoky fa nahatondra ny fanalahidiny ny mpiray birao amiko.


Tonga tany am-piasana, niverina nazava dia nazava indray ny andro. Tsy mahita ny lanitra hatreo amin'ny biraoko fa mahatsapa tsara kosa ny hazavana miditra ao an'efitrano. Nanomboka tamin'ny efatra ora anefa dia nanomboka nihamaizina amin'izay... somary efa mahazatra ihany io fa nanomboka amin'ny dimy latsaka fahefany amin'izay ny fahagagana. Maizina sady mandrahona ho avy orana no tazana koa fa toy ny alina lasa aloha.  Tena ho avy mihitsy amin'izay ny orana ho an'izay tsy nijery tany ivelany fa nipetraka tao amin'ny biraony ihany (tsy ora firavanay moa izany!) fa hafa mihitsy ny fijery ny lanitra ho an'izay nitazana teny ivelany. Aizi-kitroka anie izany ry zareo! Tahaka ny tsy mivolon-ko avy orana ilay andro ny fijery azy fa dia hoe maizina tsotra izao. Raha mbola tsy nirotsaka ilay "ora-madinika" dia tsy sasatra nijery famataranandro sy nieritreritra hoe maty antenatenan-dalana angamba izy ity teo. Saiky voafitaka avokoa izay tsy manana afa-tsy famataranandro tokana an-trano. Fa ho an'ireo teny an-dalana kosa, maro ny nikorapaka fandrao tratran'ny orana, efa nisy ihany koa ireo niteny hoe: "nampatahotra ilay hariva", hafahafa ilay aizina ka mahatonga horohoro. Mety ho zavona mainty ve ity mandrakotra ny hariva lasa alina mialoha? Ny zava-nisy dia maro ireo mari-koditra ka mety nahatonga ilay fitenitenenana hoe farandro na dia tsy resy lahatra tamin'izany aza aho. Nirotsaka ihany ny orana rehefa avy eo fa tsy nety nivatravatra fiavy. Mitsitaitaika fotsiny na somary naharitraritra adiny iray teo ho eo aza. Ny toa anay moa dia nieritreritra hoe aleo mba hoavy fa manempotra loatra ny hafanana.


Efa nitsahatra ny orana vao nirava izahay (amin'ny valo ora eo ho eo). Rehefa toy ireny moa dia nieritreritra hoe tokony mba hisava indray izany ilay alina ka hahatsinjo jiro lavitra indray. Gaga teny an-dalana fa tsy nahala ny setroka ilay orana teo. Toy ny tsy nisy orana izany! mbola toy ny anaty setroka hatrany ny mitazana an'Antananarivo, na dia alina aza izany fotoana itazanana azy izany. Toa tsy nisy nilana azy akory noho izany ilay orana teo. Tsy nisy fiantraikany tamin'ny rivotra iainana hany ka noheverina ho toy ny tsy misy. Izay angamba no mahatonga ny maro tsy nahatadidy ilay orana, na tany amin'ny faritra nisy anay no nisy orana fa tsy nisy ny tany an-kafa? Ilay aizina no ambetin-dresaky ny maro hany ka na ny fahitalavi-panjakana aza dia nitantara ny filatsahan'ny aizi-kitroka tamin'ny dimy ora hariva na dia tokony hazava hatramin'ny enina sy sasany any ho any aza ny andro amin'izao fotoana. Ho ahy manokana, izay tsy voatery haharesy lahatra anao mpamaky, dia mbola tohin'ilay famantarana nambarako tetsy ambony io toe-javatra iray io.

 

Eritrereto anie hoe tamin'ny sivy ora maraina dia maizina tanteraka toy ny tamin'iny fotoana iny ny andro? Hanao ahoana ny fikoropahan'ny besinimaro? Hay ve tsy voatery hoe milentika ny masoandro vao mety hahamaizi-kitroka tanteraka ny tany? Famantarana ireo hieritreretan'izay mahay mieritreritra fa mety ho tontosa ny zavatra tsy eritreretina ho tontosa. Azo raisina ho politika ilay zavatra tian-kambara ary mety ho resaka sosialy na fivavahana ihany koa. Koa raha misy ny adihevitra rahatrizay hoe ahoana ny hisian'izany maizina manomboka amin'ny sivy maraina na mitataovovonana izany dia holazaiko azy fa efa niaina ny tahaka izany aho na dia noraisin'ny mpiara-belona amiko ho zava-maivamaivana aza iny toe-javatra iny. Raolombelona ô! ahoana ny eritreritrao?

 

Jentilisa 27 oktobra 2012,

30.000 ariary ny saribao iray gony

2012-03-03 @ 20:46 in Andavanandro

Fa tsy Maharesaka intsony angaha ny Maharesaka no tsy andrenesam-peo intsony? Raha fanakanana dia tsy hahasakana azy izany? Kanjo tapaka tapabolana ny aterineto dia nangina. Soa fa mba afaka niditra facebook tsindraindray ary mba nandeha niadana tsindraindray teny ny twitter saingy nisy ny fotoana tsy nandeha ny sms finday fandefasana ny twitter.

 

Ny mahavariana. Tsy haiko aloha ianareo mpamaky raha mahamarika fa toa tsy misy bolongana ahitana fitarainana momba ny fahatapahan'ny aterineto sa tampim-bava daholo? Efa lany manja ve ny bolongana fa dia ny facebook sy twitter no ahitana ny fitarainana tsindraindray?
Na izany na tsy izany, maro ny zavatra tian-ko soratana fa ny fahavitrihana mihitsy no tsy ao. Na dia ny nahalasanan'ny Mpitandrina Emilien Razafiarison aza dia mendrika lahatsoratra iray farafaharatsiny saingy mbola miandry koa iny... raha tsaroana. Eto kosa nahasoratra ihany ny farany.


Hita an-gazety sassantsasany ihany fa niakatra ny vidin'ny saribao. Raha 8000ar eo ho eo ny saribao iray gony dia tafakatra 12000ar roa na telo andro lasa izay ary dia ...30.000 ariary... telo alina ariary: izany hoe mihoatra ny in-telo noho ny vidiny talohaloha ny vidin'ny saribao iray gony teny Ambohimanarina tamin'ny fito ora hariva androany 3 marsa 2012. Vidiny tsy eny amin'ny mpivarotra saribao fa mpivarotra amoron-dalana mivarotra amin'ny gony. Moa ve mba azo eritreretina izany hoe saribao amin'ny gony io dia hisy hivarotra amoron-dalana? Tsy nahatsiaro loatra aho fa toa sambany izany krizin-tsaribao izany.


Vao nieritreritra indrindra aho fa raha mbola miakatra ity vidin-jiro ity dia nofinofy ny ialan'ny olona amin'ny fampiasana saribao. Kanjo nihoam-pampana ity ny vidiny teny an-tsenan'Ambohimanarina. Fa satria ve tetezamita dia manararaotra daholo? Dia iza no mbola hihizingizina fa tsy anaty krizy isika Malagasy? Tena hendry na manaiky ny anjara sy ny lahatra tokoa ve ilay olona? Mandritra izany fotoana izany dia maro ireo olona mandray fiara fitaterana no miady varotra mafy amin'ny resevera mba hatao 200 ar ny sarandalana amin'ity indray mitoraka ity (voalohan'ny volana fa tsy haiko hoe vao oviana izy ireo no nandray karama raha mpikarama). Izaho mieritreritra hoe efa dia mijaly loatra kosa ny mpitatitra raha tsy mba akarina 500 ariary ny sarandalana nefa ny adivarotry ny olona dia ny hampihena azy ho 200 ariary. Dia hoy aho any anankampo any, sady lasa lavitra ny saina hoe: hisy raharaha ity androany...

Sarin'ny Faran'ny 2011 sy Voalohan'ny Taona 2012

2012-01-01 @ 18:40 in Andavanandro

Amin'ny alalan'ny sary isan-karazany nalaina teto Antananarivo, izay nandalovana no iarahabako anareo nahatratra ny taona vaovao 2012. Ho taom-pahombiazana ho an'ny tsirairay anie ity taona vaovao migadona ity ary samy ho ambinina tamin'izay nisasarany avy.

Mba ho lalan'ny mpandeha an-tongotra hatrany anie no andehanan'ny mpandeha an-tongotra. Dia tsy ho zatra handeha an-tongotra eny an'arabe ny olona.

Indraindray vokin'ny ody ambava-fo ny olona rehefa mihinana ka ny tena sakafo indray no tsy lany intsony. Toy izao moa ny hita nandritra ity vanim-potoana ity.

Alarobia maraina dia maraina mialoha ny amin'ny fito ora, feno olona sahady Andravoahangy... tsia...efa hody ary ny mpivarotra raha ny tokony ho izy. Nikatso sahady ny fifamoivoizana.

Hisisika hiditra anaty fitohanana ihany koa izay kamiao izany. Voasakany ny zotra tokony hankaty Masikara.

Eto no ahitantsika ireo fiara tsy afa-mandroso, ny mpivarotra anaty arabe noho ilay tsenan'ny tantsaha...

Eo anoloan'ny fiantsonan'ny fiara fitateran'olona eo Andravoahangy. Mpivarotra, mpandeha an-tongotra, moto, sarety... Hita avokoa rehefa alarobia tsena ankoatra ny polisy.

Indro tazantsika manangansanga ilay kamiao somary nibahan-dalana tetsy ambony tetsy. Efa somary niverina kely aho rehefa nigadona teo ambany tetezan'i Behoririka, nandeha an-tongotra. Maro ny fiara fitaterana avy any Behoririka no mangalatra mandeha kely miakatra any Tsiazotafo dia midina eo amin'ny Epi d'Or taloha mba hamonjy ny rond point Andravoahangy ka voasongona avokoa ireto fiara hitantsika amin'ny sary ireto.

Tsy ny kamiao ihany no mety hibahan-dalana fa ny andiam-piara maika ihany koa ka manakana ny zotran-dalana tokony hifanena aminy. (Nane Bel'Air)

Fitohanana amin'ny fito ora maraina.

Indraindray tsy afa-manoatra fa manaraka ny dian'ny sarety ny fiara rehetra aorian'izy itony...

Hitantsika ve ny mahasamy hafa ny maraina sy ny atoandro? Ny olona angamba no mihabetsaka dia izay ihany.

Andro vitsivitsy lasa izay nisy zavatra namboarin-dry zalahy ireto ka voatery nolavahiny ny arabe.

Tonga ny faran'ny taona, io sisa no tsy vita tsara fa enga anie ho tototra vita tara sy ho toy ny tsy nisy nangady lavaka teto.

Ireto eto ambony sy ambany ireto dia nalaina ny 2 janoary hanamarinana kokoa sy hanaovana fampitahana ny sary

 Ny kely sisa tsy vita no soratako an

Mampiavaka ny tsena Andravoahangy: amin'ny iray ora folakandro dia efa madiodio ny anaty tsena. somary mbola mitohatohana kosa ny ivelan'ny tsena.

Andro alarobia io...

Asabotsy faran'ny taona: vitsy kokoa noho ny Asabotsin'ny noely izay nanapahan'ny mpivarotra ny lalana Ambodifilao-Behoririka ho tsy azon'ny fiara nandehanana intsony. Teto kosa somary nalaladalaka kokoa ny lalana sa ny tsena?

Izay fiara tsy maintsy mandalo ny arabe ihany no tena mizotra eny sisa, ny hafa raha azony atao dia mitady lalankafa.

Ny antsasany na ny roatokon'ny arabe no efa lasan'ny mpivarotra sy ny mpiray tsikombakomba aminy.

Mihafy ny fiara...

Arabe zotra telo, iray sisa no miasa...

Tazanin-davitra sisa ilay petite vitesse nampanantenaina hohalalahana tamin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna kanjo natao tsena, nanakanana ny fiara, ankehitriny zotra tokana toy ny teo aloha indray... raha tsy voavaha ny olana eto tsy ho voavaha mihitsy ny fitohanan'ny fifamoivoizana eto Analakely sy ny manodidina.

Fa avy orana hatrany ny 31 desambra sy ny 1 janoary ka nampalalaka ny lalana.

Tsy nanakana izay mba te-hitsangatsana tsy hivoaka izany orana izany.

Vitsy ny fiara niasa ka saiky marobe hatrany ny olona niandry azy teny amin'ny fiantsonana rehetra. Nanao tetika noho izany ny fiara tsy haka olona afa-tsy izay mandeha akaiky (hatreo Ananona ihany no farany an!)

Niasa mafy ihany koa ilay polisy mba hita teo Tsaramasay manoloana ny sekoly ambonin'ny Finoana Shiita Islamo fa nasiany avokoa izay fiara fitaterana nitondra olona mitsangana rehetra. Miteny hoe "Bonne Année an!" ka tsy hay marina hoe miarahaba nahatratra ny taona ve izy sa mangataka fanomezana? raha ny fihainoana azy tahaka ny mirona kokoa any amin'ilay faharoa ny fihainon'ny mpandeha azy saingy efa fantatry ny fiara moa ny fisiany ka mailo hatrany izy ireo mampipetraka ny olona entiny. Tsy mahavaha ny olana amin'ireo olona marobe tavela manerana ny fiantsonana rehetra anefa ny fahavitsian'ny fiara miasa.

Ilaina dia ilaina ny rano rehefa hikarakara fety

Ary indraindray mampieritreritra ny hoe ny matsaka ve no mora kokoa sa ny mampiditra rano ao an-trano? ireo siny miloko mavo maromaro mitambatra aty aoriana ireo dia feno rano avokoa ary olona iray no naka azy.

Mampiaiky ny fitiavan'ny olona mivoaka hilanona kely toy ny etsy Analakely ohatra. Mifety dia mifaly fa rehefa vita izany dia mifampitady amin'ny fiara fitaterana hodiana. Misisika miaraka amin'ny zaza mbola trotroina. Mifety tokoa aloha fa rehefa avy eo mifampitady amin'ny hanina rahampitso sy ny rahafakampitso...

Na izany na tsy izany, mirary soa anareo rehetra indray.

Ny looks ao ...

2011-12-27 @ 14:39 in Andavanandro

Efa ela no nikasako hanoratana ity lohahevitra iray ity fa izao vao tadidiko. Tsy fantatro na misy na tsia ny sampana mpanara-maso ireny sakafo omena ny olona ireny eto Antananarivo fa hitantara izay nahazo ahy aho. Efa ho herintaona no sambany nidirako tamin'ny looks teo amin'ny toerana iray be mpandeha izay fa dia tsy nisy nitovizana tamin'izay efa nihinanako teny amin'ny toeran-kafa fa tsy tadidiko loatra.

Noho ny fiarahan'ny namana vitsivitsy no mba idirana amin'izy ireny. Rehefa tazanina hatrety ivelany moa ny laoka isan-karazany amin'ireny toerana ireny dia mampilendalenda antsika Malagasy, ny an'ny vahiny tsy fantatro izay fahatsapany, ka raha tsy misy mpitarika tsy nankeny fa nieritreritra manko aho hoe tahaka ny lafo ihany ny tolotra avy amin'izy ireo. Mba heverina ho manana ny lazany ihany koa moa ireny looks (avy amin'ny teny hoe loha-kisoa) ka izay no anoratana izay tsy mety ka mila avoatra.

Dia nihinana ny tena, fa rehefa afaka fotoana fohy taorian'ny nahalaniana ny sakafo dia nanomboka nisalebolebo te-handoa izany amin'izay aho. Ny namana moa niteny hoe sao dia nisy sakafo tsy zaka. Izaho anefa tahaka ny mba tsy mifidy hanina loatra ankoatra ny gisa (na gana) angaha, izany hoe rehefa tena mavesatra vao ho tsy zakako. Avy eo moa dia tahaka ny noana dia noana indray, ka nahatsapana hoe tena be karibonetra izany ny sakafo ao. Resaka tsipalotra vao teo no nahafantarako fa tsy any amin'ny laoka no nasiana izany karibonetra izany fa ao amin'ny vary. Moa ve tsy tahaka ny manapoizina ihany ry zareo ary mamono ny varotra ataony raha fenoina karibonetra io sakafo io?

Nanoratra aho noho fahafantarana fa mba mila fivoaran'ny toe-tsaina indrindra indrindra ny zavatra tahaka izany. Maro ihany manko ny Malagasy no mitondra vahiny eny ka ho henatra raha "tsy mahalevon-kanina" ny olona entina eny, na hoe tsy nahazo fahafaham-po araka izay tokony ho izy. Mahazo mitory ry zareo raha diso izay lazaiko , nefa averiko indray fa zavatra nihatra tamiko no soratako... fa ny fanatsarana no tena tadiaviko, sady asa raha ho tsapan'izy ireo fa hampitombo ny olona ho eny aminy raha tsy asiana ireny zavatra tsy dia mahasoa ny mpihinana ireny ny sakafo atolotr'izy ireo.


Nanoratra aho ka tsy ny looks amin'ny ankapobeny no lazaiko eto fa ao amin'ny toerana iray be mpandeha. Nesorina ny anarana fa mampifamaly... 

Maninona raha arotsaka?

2011-12-17 @ 10:30 in Andavanandro

Fomba fiteny malagasy hatry ny elaela ihany ny hoe: "manary fako". Zavatra tsy ilaina intsony dia ariana. Fony aho mbola kely, tamin'ny nipetrahako teto Antananarivo, dia saiky isaky 100 metatra raha lavitra dia nisy toerana fanariam-pako hatrany. Niova tsikelikely izy io taty aoriandriana hany ka mila ho isaky ny iray kilometatra, tsia andeha atao hoe 300 metatra, vao ahitana izany fanariam-pako izany. Tsy mahagaga raha lasa fikaramana manokana ho an'ny olona sasany ilay "manary fako".

Tsena Andravoahangy  

Indrisy anefa fa niova ilay "manary fako" amin'izao fotona izao. Nisy ny fotoana nitondrako fako kely teny an-tanana fa tamin'ny lalana nalehako an-tongotra mahatratra dimy kilometatra tsy nahita toerana fanariam-pako mihitsy aho mandra-pahatonga teny an-tanàna. Inona ny dikan'izany? saro-tadiavina ny toerana fanariam-pako, tena vitsy dia vitsy ny toerana natokana ho amin'izany, tsy misy ny fanondroana izay toerana anariana fako. Izaho maharitra mitazona iny fako iny rehefa mandeha irery fa ny hafa kosa manao ahoana? tena "manary fako" ara-bakinteny. Atsipitsipy eny rehetra eny ny fako, fa ny tena zava-doza ho an'ireo irahina manary fako dia atsentsina tatatra natao ikorianan'ny rano ilay fako. Tena poizina tanteraka ho an'ny foto-drafitrasa. Tsy mahagaga raha miha-potika lalana Anosibe mba rehareha tamin'ny fotoan'androny ohatra fa tena ifaninanana mihitsy ilay manentsina ny tatatra. Tsy ilay foto-drafitrasa no tsy manara-penitra fa ny anaovan'ny olona azy.

Lasa mampiasa fitaovana manokana handrotsahana ny fako?


Dia tena sanganehana tanteraka ny tena rehefa nahita ity toerana fanariam-pako iray tsy misy fako nefa ny manodidina azy hipoka fako tanteraka. Tena manary fako ara-bakinteny ihany. Toa tsy azo anirahana ankizy intsony manko ny manary fako fa avo loatra ny fanariam-pako. Tamin'ny voalohany mba nisy ihany ny tohatra fiakarana haha-iva sy mora anariana ny fako fa amin'izao fotoana izao tsy misy intsony izany. Samy tompon'andraikitra avokoa ny rehetra fa tsy ny olona ihany na ny kaominina ihany, tsy misy afa-miala eny fa na izaho manoratra aza. Dia eto ary isika izao: Maninona amin'izay raha arotsaka ny fako fa tsy ariana intsony? Arotsaka satria ao amin'ny toerana androtsahana azy no androtsahana azy, anaty toerana manokana fa tsy eny rehetra eny. Arotsaka dia mba manao izay hahamora ny fandrotsahana azy ihany koa ny tompon'andraikitra fa tsy ny fako indray no zary lolohavina mialoha ny androtsahana azy anaty dabam-pako io. Dia arotsahy ny fako fa aza ariana.


Fanazavana: niniana natao fotsy sy mainty ny sary tsy haha-rikoriko ny mpamaky.

Andavanandro Mialoha Fety [Sary]

2011-12-13 @ 23:17 in Andavanandro

Hono ho'aho e! tena ilaina ve ny iasan'ny mpitatitra fako amin'ny atoandro miaraka amin'ilay fofona mampihoaka iny?

Hitantsika fa mampiasa traktera mihitsy ny Kaominina hampiakarana ny fako saingy izao: Tsy matetika hitsantsika ve ny fako no atao lafiky ny entana izay matetika ilay ampidirina am-bava tahaka ny hita eto Andravoahangy? Efa tsy mahatsapa ny haratsian'ny loto intsony ve ny mponina?

 

Talata maraina mialoha ny amin'ny fito ora: mbola indreo eny an'arabe ny entana amidy

Izay matetika Sakafo no mihosina eny amin'ny tany, amin'izato plastika izay mety ho efa nivadibadika manitsaka tany no mikasika mivantana amin'ny sakafo indray

 

Ary rehefa misy fiara mijanona eo amorony na anaty arabe dia miditra anatiny kokoa ny mpivarotra ka tery avy hatrany ny lalana. Ny sary rehetra dia nalaina tamin'ny finday tsotra dobla parasy haha

Resaka fombafomba miafina no nangalarana ny Satroboninahitra?

2011-12-06 @ 11:14 in Andavanandro

Na dia tsy te-hanoratra aza aho dia tery ihany hanoratra sy hamboraka ny hevitro adaladala. Atao hoe resaka politika toa misy zavatra ambadik'izay politika izay hatrany na misy ny fombafomba tsy miseho ampahibemaso atao hahazoana na hitazonana toerana.

 

alt


Tsy te-hino aho saingy mampieritreritra ihany ilay fangalarana ny satroboninahitra an-dRanavalona irery ihany tao amin'ny Lapan'Andafiavaratra. Araka ny eriteritro mandeha dia resaka saimbolika no nangalarana azy fa tsy noho ny sandany loatra. Tsy ho afaka hanameloka na iza na iza na izany ary ary tsy tery hanaiky ny valin'ny fanadihadiana rahateo izay tsy fantatra na efa miandoha na mbola tsy misy tokotaniny. Toy izao manaraka izao ny hevitro adaladala rehetra manodidina azy ity ka amerenana ny tantara vitsivitsy :

alt


Ny antony nanorenana dobo teo anoloan'ny Lapan'ny tanàna dia ho fanadiovana ny ra latsaka teo tamin'ny 1972 satria teo amin'io misy ny dobo io indrindra no nisian'ny olona maty voatifitra tamin'ny 13 mey 1972. Firariana mba ho voafafa ny heloka natao tamin'izany famonoana olona izany. Dia nofefena amin'izay mba tsy hisy intsony ny hetsi-bahoaka manongana ny fitondrana mijoro.

 

alt

alt


Fomba tsy fantatra antony loatra ny fametrahana faritra iray ao anatin'ny Lapan'ny tanana ho tsy azo itsahana ary tarafin'ny jiro lustre izay nataon'ny PHAT fanomezana ho an'ny Lapan'ny tanàna. Any ampiangonana misy faritra tsy dia fanitsaka loatra afa-tsy noho ny antony sarobidy fa ny ao kosa na inona na inona antony, matanjaka noho ny fivavahana na masina dia masina tokoa noho izany ilay faritra.

alt


Tsy nankasitrahako loatra ilay fomba nentina nankalazana ny faha-400 taona ny tanànan'Antananarivo sy ny nitokanana ny Lapan'ny Tanànan'Antananarivo ka nanaovana diabe nidinana avy teny amin'ny Rovan'i Manjakamiadana mizotra ho eny Analakely. Ny fanasongadinana  ny PHAT mivady no hitako navandravandra tamin'iny ho toy ny fanandratana azy. Ary aty aoriana ela dia tahaka ny nampisy eritreritra adala tanteraka fa tsy hoe izay no marina fa satroboninahitra sisa no tsy ampy. Fa izao: Efa nahita sarin'ny mpanjaka teto Imerina nitondra satroboninahitra ve ianareo? Toa ny mpanjakavavy ihany no nitondra e?

alt


Fa fombafomba fihantsiana na famonoan-kasina no heverin'ny hevitra adaladalako nanaovan-dRatsiraka ilay paompy teny Ivato, satria nisy koa ny paompy nataon'i Andry Rajoelina sy Camille Vital tao amin'ny Toby RTS Soanierana indray maka ary naseho tele. Fomba famonoan-kasina ilay Karaoke hira mivalana natao teny an-dalana ary hafatra manokana ho an'ny PHAT izay mpikarakara fety, nanana ny lazany ny LIVE fanao tao amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena.


Ary dia nirona ho azy tany amin'ny hoe fombafomba no nisian'ny halatra satroboninahitra tao amin'ny Lapan'Andafiavaratra (Lapan'ny Hova fa tsy Lapan'Andriana) sy ny fangalarana bala arivo an'ny RFI tao amin'ny BANI ny eritreritro. Satroboninahitra iray sy bala arivo no nangalarina, resaka mifono misitery, ary ilay misitery dia mirona amin'ny hoe fombam-pivavahana miafina no nisian'ny halatra.  


Halatra saimbolika: Tsy izay tsaratsara rehetra no nangalarina tao Andafiavaratra fa ilay satroboninahitra fametrahana amin'ny fitoerany ho mpanjakavavy ny olona iray. Ny bala arivo tsy mihoatra tsy nanalana kosa isa manavaka ny tarigetran'Antananarivo hoe "Ny arivolahy tsy maty indray andro". Antananarivo dia tananan'ny Arivolahy no niavian'anarana, arivolahy izay miaramila. Fomba inona izany no natao? Fomba fampivondronana ho iray ny mpitondra iray sy ny miaramila? sa fomba hametrahana olona iray ho mpitondra ho eken'ny miaramila? Tombatombana tsy dia mitondra mankaiza loatra... 


Nahavariana ihany koa ny andron'ny 4 desambra, tsy mahalala ny tononandron'io loatra aho fa tsy kisendrasendra ny nahaverezan'ny satroboninahitra iray sy ny bala arivo ho samy alin'ny Asabotsy mifoha Alahady avokoa. Misy zavatra kendrena ao anatiny. Samy azo ahiahiana avokoa na ny eo amin'ny fitondrana na ny ivelan'ny fitondrana. Fa ny tsy tokony adinoina dia ny datin'ny 4 desambra 1984 no nanafihan'ny Kung-fu ny toby Pochard nisy ny TTS tamin'ny androny ka naharava io vondrona mpampihorohoro nokaramain'ny fanjakana hanindry ny vahoakan'Antananarivo. Be loatra ny kisendrasendra ka tsy mety hidify amin'ny hoe fihetsika "fombafomba" miafina no antony nangalarana ilay satroboninahitra iray sy ireo bala arivo.

Jentilisa 6 desambra 2011

Lainga avy amin'ny Marina

2011-12-01 @ 21:15 in Andavanandro

  Mba fetsy koa ny mpampita vaovao sasany ka. Ny polisy mahalala fa mirongatra noho ny fanomanana ny fety ny asan-jiolahy amin'izao fotoana izao dia milaza indray ny sasany fa misy manao politika manakarama jiolahim-boto hanakorontanana ny tanàna.

Entina hanendrikendrehana ny hafa ho mpampahory vahoaka tsy mahalala afa-tsy ny fitadiavan-tseza indray ny fampielezam-baovao tahaka izany. Oviana re vao ho tapitra ny fanodikodinana ny saim-bahoaka e? Mandeha zotra tokana manko amin'izao fotoana izao ny filazam-baovao fa tsy misy feon-dakolosy hafa matanjaka dia manararaotra toy ny banga mihomehy alina ny sasany.

Alatsinainy Paska an-tsary

2011-04-25 @ 23:36 in Andavanandro

Alatsinain'ny paska 2011, niainga maraimbe tao an-trano ny tena noho ny asa. Tamin'ity indray mitoraka ity dia nanararaotra nitondra fakantsary na dia somary manelingelina noho ny habeny ihany aza ny tena. Faritra vitsivitsy teto an-drenivohitra no nandalovana ka nisy ny nopihana moa nisy ny nandalovana fotsiny. Nisinisy ihany ny olona saingy tsy betsaka noho ny mahazatra sady tsy naharenesana tabataba firy. Hafahafa ery izany Behoririka manoloana ny Avance Center ka hatreny amin'ny Irresistible ka tsy nisy ny mpivarotra amorondalana, mbola tsy famelaran-dry zareo entana ny fotoana nandalovako teny satria mbola tsy ampy tamin'ny fito maraina.


Mbola tsy nitanjozotra ihany koa ny fiara nivoaka iny faritra andrefana eny Anosibe sy Anosizato iny. Malalaka ny arabe saingy ny mahavariana eny amin'ny fiantsonan'ny fiara fitaterana hatrany no tena itangoronan'ny mpivarotra amorony efa tafiditra anaty lalana. Hanina mbola manta no tena amidy amin'izany. Ireny ve no toerana azo antoka fa hahazoana mpividy voalohany? Mety ho izay saingy amin'ireny ihany koa no tena mora iasan'ny mpanendaka sy ny mpangaro-paosy voalohany. Tamin'ny ankapobeny izay lalana rehetra nandehanana tato an-tanàna dia malalaka avokoa.

alt


Niditra an'i Mahamasina hatreo amin'ny fiantsonan'ny fiara Anosy mipaka mankeny amin'ny fiantsonan'ny fiara fitaterana Mahamasina, anatin'ny Cité Jardin, no nahitana mpivarotra mitandahatra lava voalohany vao maraina andro alatsinainy. Indraindray mahatonga eritreritra sao ny alatsinainy no tsena eny fa tsy alakamisy intsony. Tena mihamiova ny tontolo saingy mihapotika ihany koa ny arabe.

alt


Miakatra amin'iny Ankadilalana iny dia hitanao ireo fianakaviana manao andiany mandeha an-tongotra hamonjy ny sahan'i Tsimbazaza. Io no faritra anaty fefy andoavam-bola be mpitsidika tranainy indrindra araka ny fahalalako azy. Ny ankizy no tena maro. Tamin'ity andro ity dia nisokatra avokoa ny vavahady telo ananan'ny saha raha ilay iray afovoany alaiko sary ihany no misokatra mahazatra. Milahatra ny besinimaro amin'ireo vavahady telo ireo fa eo amin'ilay vavahady misokatra mahazatra no tena ifanotofan'ny mpivarotra hani-masaka ivarotana eny am-pita. Teo dia hita fa miovaova be ihany ny toetr'andro fa mbetika mitranga ny masoandro, mbetika mandrakotra tanteraka azy ny rahona sy ny rivotra mampangatsiaka.

alt


Mivezivezy eny ihany, somary nahazo ny anaty tanàna indray ny tena. Tahaka ny hifanisa ny isan'ny mpandeha an-tongotra sy ny fiara. Tetsy Ankadifotsy ohatra teo amin'ny fotoana izay nakako sary maraina no somary betsaka ny fiara nifanaretsaka raha somary mitsitaitaika ry zareo ny fotoana hafa tamin'ity andro ity. Inona tokoa moa izany no mety ho antony handehadehanana eny?

alt

mikatona ny fivarotana madinika fa misy ny mpivarotra tsy miala mihitsy

alt


Nandalo an'Akorondrano ny tena ka somary gaga ihany nandalo ity arabe efa nitarina tamin'ny andron'ny filoha teo aloha dia lazaina fa mbola hitarina hatrany. Tsy dia tena mahatadidy ny tombam-bidin'ny fanamboarana na fanitarana aho fa ny hitako dia hakelezina ny eo afovoany. Tsia, asiana faritra manasaraka angamba fa voatery ajanona avokoa manko ny fiara rehetra, ny mianavaratra rehefa hiainga avy any an-tranony hamonjy an'Antaninarenina ny filohan'ny FAT; ary ny fiara rehetra mianatsimo rehefa hody any Ambatobe kosa izy. Mety hahatratra adiny iray izany fanajanonana ny fiara rehetra izany indraindray satria efa niaina izany ny tena. Mba tsy ho ahiana hanakana ny fiaran'ny filohan'ny FAT intsony angamba ny fiaran'olo-tsotra rehefa vita itony fanasarahan-dalana itony.

 

alt


Efa tena ny olo-tsotra tokoa ny mandeha an-tongotra na dia mety hahatratra ora iray na mahery aza izany. Miaiky ireto fianakaviana manao andiany ireto hamonjy an'i Masay (ny zaridaina namboarina natao hitsangatsanganana ery akaikin'Andranobevava moa izany?) aho fa vao maraina ry zareo ireto no hamakivaky iny lalana iny. Ny folakandro moa dia feno mpandeha an-tongotra avokoa iny lalana natokana ho an'ny mpandeha an-tongotra iny ka manjary tskaritra fa ny lalana be mpandeha andavanandro lasa vitsy na tsy misy olona loatra, fa ny lalana tsy dia ahitana mpandeha an-tongotra kosa no feno azy amin'ity andro iray ity. Izany tokoa angaha no atao hoe mitsangatsangana.

 

alt

Teto indray ny olona no betsaka noho ny fiara

alt


Rehefa tonga ny atoandro vao tena matevina ny fidirana mankao an-jaridainan'i Masay na dia efa feno tanteraka aza ny ao anatiny ao. Tahaka ny fahafinaretana moa indraindray ho an'ny sasany ny mifanositosika ao anatiny ao na dia ny hipetrapetraka aza no noeritreretina handehanana amin'ny faritra tahaka ireny.

alt


Tsy dia nilahatra loatra ny fiara nivoaka ny fiara tamin'ny lalan'Analamahitsy iny. Tsy azo lazaina ho malalaka ihany koa anefa ny arabe fa somary afa-mandeha mafy avokoa izy rehetra. Teny Ambohitrarahaba ka hatreny amin'ny diako teny Sabotsy Namehana vao nisy ny fitohanan'ny fiara saingy tsy tena nitohana loatra fa nitanjozotra miadana no filaza azy. Ny mampihomehy dia mbola ahitana fiara fitaterana maty hatrany eny an-tsefatsefany eny ka ireny no tena mampisy ilay fitohanana fa tsy dia inona loatra. Sarotra manko ny hisongona fiara lehibe rehefa maromary koa ny fiara ifanenana.

 

alt

Tranga iray voamarika ny fahamaroan'ny mpandeha scooter izay maro nanao taingi-telo na taingi-droa. Telo manko raha miaraka amin'ny zazakely, ary roa kosa ho an'ny mpivady na mpifankatia fotsiny. Heverina ho ala-olana amin'ny fitohanan'ny fiara izany rehefa tonga ny fodiana araka ny fijeriko azy.

alt


Ny folakandro vao betsaka ny mpandeha an-tongotra no mamonjy ny afovoan-tanàna toy ny etsy Analakely sy Ambohijatovo. Eny no mipetrapetraka amoron'arabe tahaka ireny ankizy taloha tsy mahita atao mijery fiara mandalo ireny ny maro. Tena mahavariana indraindray ny mijery ireny olona ireny. Fa any anatiny any mety manantena ny hiditra anatin'ny fefin'ny kianjan'ny 13 mey ry zareo na dia hafanana be aza ny hozakaina ao. Sa kosa manimanina ny tolona natao? Tsy fantatro loatra fa ny maka sary no mahafinaritra ahy aloha!

 

alt

Na teo aza izany dia orambe no tena nibahana teto Antananarivo ny folakandro nanomboka tamin'ny telo ora sy sasany teo ho eo ary tsy nitsahatra izany mandrak'alina afa-tsy nandritra ny fotoana fohy ihany. Nisy aza moa, tahaka ny teny Tsimbazaza no nisy havandra nirotsaka mihitsy. Tsy nody maina izany ny mpitsangatsangana tamin'ity indray mitoraka ity.

alt

alt

tsy misy zavamameno na mpikabary akory teny

alt

alt

fa mpanala voly ihany fa tsy nisy mpivarotra tato anaty olona tato an!  


Jentilisa 26 avrily 2011, 01:38 maraina

Ny Mbola tsy vita

2011-04-20 @ 10:41 in Andavanandro

Miarahaba ny rehetra indray, momba ny tanànan'Antananarivo indray no resahina etoana. Efa nahare ny tetikasa fitaterana filamatra avokoa amngamba ny mpanara-baovao rehetra. Ny fanatsarana ny fiantsonana miainga avy eny amin'ny 67ha mizotra mankeny Ankatso sy ny fiverenana no tsiahivina etoana. Efa nisy ny fitokanana ireo zavabita, izay tsy lavina fa mahafinaritra ny mijery azy ary efa volabe tokoa no lany. 


Saingy na eo aza izany ny fiantsonana etsy 67ha (efa tsy any intsony moa ny tena no mipetraka hany ka tsikaritra ilay izy rehefa nandalo teny ny tena) kosa na dia efa natomboka aza ny asa dia mbola maro loatra ny zavatra mbola tsy vita, ny arabe dia mbola tsy nokitihina ny antsasany. Tsy mbola tafaverina miasa eny ny fitaterana rehetra hany ka mbola any amin'ny mosquée hatrany ny lalan'ireo fiara maro ary lasa lavitra ny 67ha avaratra andrefana sy atsinanana ny misy azy rehetra.

alt

Sady matiantoka ny fitaterana no mandeha an-tongotra lavitra ny mpndeha ka manontany hoe rahoviana no hiverina amin'ny toerany ny rehetra, sa hitsahatra tanteraka ny asa satria efa lany ny vola? Toa ny mpivarotra amoron-dalana indray manko no mahazo vahana, nefa ireny no mahasimba voalohany ny toerana. Dia miandry fanazavana sy ny fahavitan'ny lalana ny ny fiantsonana ary isika rehetra!

jentilisa 20 avrily 2011 amin'ny 12:28

Fanimbazimbana ataon'ny solontenam-panjakana

2011-01-17 @ 22:06 in Andavanandro

 
Tao amin'ny Boriborintany be mponina indrindra teto Antananarivo renivohitra ny Asabotsy lasa teo no nitranga ity raharaha ity. Mazava loatra fa fisoratam-panambadiana no resaka mandritra izany andron'ny asabotsy izany amin'ireny Boriborintany ireny raha eto an-drenivohitra fa eny amin'ny Lapan'ny tanàna kosa any amin'ny faritra hafa. Tsy aritra satria karazany voasimbazimba ny hasin'ny fanambadiana ary ny solontenam-panjakana ihany amin'ny alalan'ny "délégué au maire", ny mpiandraikitra ny sora-piankohonana, no tompon'andraikitra voalohany amin'izany fanimbazimbana ny hasin'ny fanambadiana izany.

Raha ezaka manokana any amin'ny faritra hafa eto Madagasikara ny mampanoratra ny fanambadiana any amin'ireny tranom-panjakana natokana ho amin'izany ireny dia toa karazandrazan'ny fanorisorenana ny olona tsy hazoto hisoratra kosa no tsapa raha ny nataon'ity tompon'andraikitra iray eto Antananarivo ity no tarafina. Te-halaza amin'ny hafa ve amin'ny alalan'ny fampihomehezana sa te-hamela fahatsiarovana tamin'ny fandalovan'ny olona amin'ny toerana toy ireny fa toa fanimbazimbana ny safidin'ny olona hisora-panambadiana indray no tsapa ary fahatezerana no entin'ny olona mody.

Toy ny miainga amin'ny fanontaniana hoe dia tianao, tsy nisy faneriterena mivantana na ankolaka, tokoa ve i... ny resaka dia anontaniana ny fomba nahitana ilay olon-tiana isoratam-panambadiana ka tadiavina hotantaraina ho ren'ny Besinimaro. Avy amin'ny valinteny ataon'ilay olona amin'izay no ivoahan'ny faniratsirana ankolaka ilay olona iray, sy ny fampanomezana valiteny diso ilay anontaniana mba hataon'ny mpanatrika fihomehezana ilay olona nisoram-panambadiana. Tsy mbola nisy nanatrika zavatra toy ity tao amin'ny Boriborintany be mponina indrindra ity eto Antananarivo izay rehetra nanontaniana fa nisy kosa ny nanamarika fa toy izany mihitsy no nataon'io rangahy io (olona roa ry zareo no mifandimby mitarika ny fotoana tamin'io andro io).

Tsy mitsahatra ny fampihomehezana ny mpanatrika raha tsy efa mijanona tsy mamaly intsony sady tsy mitsiky intsony izy roa anontaniana, dia atao ny sonia dia asaina mandeha mivoaka ny efi-trano malalaka izy roa sy ny mpanotrona. Anatranatra sy toro-hevitra vitsivitsy no andrasan'ny rehetra raha mandeha amin'ny sehatra toy ireny kanjo ny mifanohitra amin'izany no hita ka manala baraka ny hasin'ny fanjakana sy ny fisoratam-panambadiana ilay izy. Toro-hevitra avy amin'iray amin'ireo mpanatrika moa ny filazana hoe: "Fitiavako azy no ahatongavako eto hisora-panambadiana ary aoka hotazoninay ho tsiambaratelo ny tantaram-pitiavanay."

Ny zavatra hafa voamarika moa dia lava dia lava ny fotoana rehefa vazaha ny iray amin'ilay misora-panambadiana (mihoatra ny atsasakadiny aza) fa zara raha mihoatra ny dimy minitra kosa izany raha samy Malagasy no manatontosa izany fisoratana izany. Toa taratr'ilay mbola voazanaka ara-tsaina hatrany. Ny zatra ny toerana moa dia nilaza fa tamin'io andro io no nisy fisoratam-panambadiana iray be vazaha nanatrika indrindra satria manodidina ny roapolo teo ho eo no isan'izy ireo. Ny hatramin'izay manko zara raha voaisan'ny tanana iray izy ireny manatrika fotoana tahaka itony eto Madagasikara.


Jentilisa 18 janoary amin'ny 00:07

Tohanana ny fandaminana na fomba mahery vaika aza!

2011-01-07 @ 09:07 in Andavanandro

Mialoha ny zava-drehetra dia miarahaba ny mpamaky rehetra nahatratra ity taona vaovao 2011 ity indray. Enga anie mba ho taom-pahombiazana sy taona zina ho antsika ity taona izay diavina ity indray. Mirary soa ho antsika mpamaky rehetra ny mpanoratra noho ny fandinganana izao taona vaovao izao. Hiresaka momba ny tanànan'Antananarivo indray ny tena fa hisintaka kely amin'ny resaka politika feno fitapitaka sy fandrika ary fivadihana mandrakariva. Ny famoahan-kevitro andavanandro rahateo moa sady tsy dia lava dia lasa any amin'ny facebook amin'ny ankapobeny. Amiko manko ny maharesy lahatra ahy dia nivadihan'ireo notendrena hiara-mitantana ny antokony indray ny filoha teo aloha kanefa tsy afaka ny handà ny fihetsik'izy ireo intsony raha tsy te-hataon'ny olona fihomehezana hoe izay anankinana andraikitra rehetra ity mivadika avokoa ary ny antokon'ny tena ihany no tena mpamadika voalohany. Tazoniko ho ahy izay hevitra izay na dia habokaina ho foza aza aho, tsy azo fefena tsy hamoaka ny hevitro ihany koa aho tsinona; nefa izay ihany koa no tsy iresahako betsaka ny amin'izy ity ihany koa aloha.
 
 
 
 
Hiresaka momba an'Antananarivo indray aho. Hita sy tsapa tokoa ny ezaka ataon'ny mpitondra azy ankehitriny. Angamba noho ny fifanolanana misy eo aminy sy ny minisiteran'ny fanajariana ny tany dia nihasahisahy kokoa ny mpitantana. Tsy dia mampaninona azy intsony na hahatezitra ny "vahoaka madinika" aza ny zavatra ataony mandroaka ny mpivarotra amoron-dalana tsy hanelingenina ny fifamoivoizana sy tsy hanakorontana ny tanàna. Ny zavatra toy izany no tena nanohanako ny filoha Ravalomanana sy ireo notendreny taty aoriana. Fahadisoana lehibe teo anatrehako ny nileferan'i Hery Rafalimanana tsy nanelingelina ny mpivarotra anaty lalana intsony tamin'ny fifidianana ho Ben'ny tanàna izay nahamontsana ny TIM teto Antananarivo tamin'iny fotoana iny. Maniry kosa aho mba tsy hilefitra na oviana na oviana ny mpitantana ankehitriny na dia ho avy aza ny fifidianana ho Ben'ny tanàna. 

 
 
 
 
 
 
 
 
Miala tsiny aho fa somary masiaka amin'ny fandaminana ny tanàna. Efa nomena toerana hivarotany ireo mpivarotra ireo nefa tsy tiany hono ny any fa tsy misy tsena. Vavabe nataon'ny mpivarotra anaty lalana tamiko indray maka ny hoe tanim-panjakana eto ka tsy hiala eto izahay raha tsy ny fanjakana no manala anay eto. Rehefa nanala azy indray ny Kaominina dia sahiny ny miteny fa tsy ny Kaominina no fanjakana... Marihina fa misy ny minia manery ny lalana hahafahana mangaro-paosy sy manendaka ary maro amin'ireny mpivarotra amoron-dalana (sy anaty lalana) ireny, fa tsy izy rehetra tsy akory, no tena mpiray tsikombakomba amin'ny mpangalatra ary ireny no tena mijery ny vola ananan'ny mpividy mitonantonana eny amin'izy ireny. Raha tena te-hivarotra ireo efa betsaka tokoa ny toerana efa natokana hivarotana no malalaka satria ny hivarotra eny an-dalana no ataony ary izaho aza dia mahasahy mihitsy ny mitaky ny fanagadrana noho ny fanelingenana ny fifamoivoizana sy ny fanakorontanana ny tanàna ary ny fandratrana ny mpitandro ny filaminana ireo mpivarotra tsy hanaiky na oviana na oviana ny hanara-dalàna ireo.


Jentilisa, 07 janoary 2011, amin'ny 11ora07mn

Tsy nahavaha olana hatreto

2010-11-22 @ 10:17 in Andavanandro

Nivadika sahady ny herinandro niainana toe-draharaha mafampana teto amin'ny firenena. Samy manana ny heviny mikasika ny fitsapa-kevi-bahoaka sy ilay lazaina fa fanonganam-panjakana avokoa ny tsirairay. Na izany aza misy ny zavatra tsara resahina ihany.


Fitsapa-kevi-bahoaka tsy misy  mahalala izay valiny intsony

Asa noho izaho izay efa nihevitra iny fandatsaham-bato iny ho toy ny tsy misy angamba fa raha mihaino resadresaka ianao dia toy ny tsy misy mahalala intsony izany fitsapa-kevi-bahoaka izany fa takon'ilay fanonganam-panjakana ny raharaha. Na izany aza dia misy ny tsikaritra momba azy io tsy maintsy tantaraina.

Antsirabe tanàna faharoa eto Madagasikara raha ny habetsahan'ny olona no resahina dia tsy maintsy nolazaina tsirairay ny olona ny amin'izay tokony ataony rehefa handatsa-bato. Tsy fantatro aloha fa raha izaho izay olon-dehibe ve no toy ny ampianarina indray tsy lasa tondroina hatramin'ny tokony hosafidiako? Tsikaritry ny mpanao gazety tamin'ny fotoana nandalovany fohy tao amin'ny biraom-pifidianana iray ny fandrovitan'ny mpifidy iray ny vatom-pifidianana ka ilay ampahany misy ny ENY mangamanga no saiky arotsany. Fanamarihana roa avy hatrany, na telo akory aza: (1) toy ny voaramaso avy hatrany ny safidinao ka aleo tsy manao mahasosotra ny mpitondra. (2) Aty an-tanàndehibe aza mbola misy ny tsy mahalala mihitsy izay tokony atao no tsy ampy ny fampianarana tsy mitongilana amin'ny fombafomba atao rehefa anaty biraom-pifidianana ka aiza ho aiza ny any ambanivohitra any moa tsy tonga dia fanerena ankitsirano ny safidy no atao? (3) Fotoana fohy nandalovana dia nahitana zavatra tahaka izany ka aiza ho aiza mandra-pahatapitry ny fotoana tsy ho fihomehezana fotsiny va?

Dia nisy tampoka ny didim-pitondrana nanemotra ny fifidianana ho hatramin'ny enina ora hariva indray raha tamin'ny efatra ora folakandro no voafaritra mialoha. Nolazaina moa fa noho ny fahamaroan'ny mpifidy no nanaovana izany fanemorana izany ary hahafahan'izay tsy afa-nifidy noho ny tsy fananana kara-pifidianana sy tsy tafiditra anaty lisitra mifidy raha mitondra kara-pifidianana taloha na fanamarinam-ponenana sy kara-panondro mifidy. Mifanohitra sahady tamin'ny tanjona napetraka izany fepetra vaovao niova an-tenantenan-dalana izany.

Raha napetraka ny famerana ny ora ho hatramin'ny efatra ora hariva dia ny hialana mba tsy ho amin'ny alina tsy maintsy ampiasana jiro no hanaovana ny fanisam-bato... toy ny mametraka avy hatrany fa misy zavatra maizina katrohina ao ambadika ao. (1) Efa nahazatra nandritra ny fifidianana natao hatramin'izay fa raha tonga ny ora farany nefa mbola misy ny filaharana dia tsy azo rarana tsy hifidy ireo olona milahatra ireo fa tsy maintsy manefa ny adidiny avokoa. Eo izany dia efa tsy mitombina ny antony nanemorana ny fotoana ankoatra ny fitadiavana zavatra hafa mihitsy. (2) Mivadika zavatra hafa tanteraka ny fandehan'ny raharaha rehefa hoe afa-mifidy amin'ny alalan'ny taratasy fanamarinam-ponenana sy ny karinem-pokontany satria antontan-taratasy miankina tanteraka amin'ny fokontany izay toe-javatra izay, manaraka izany satria karazan'ny tsy tokony hisy intsony ilay hoe lisitra fanampiny amin'ny "ordonnance" dia karazan'ny isan'ny olona anaty lisitra ihany no isa apetraka nefa efa avela mifidy indray izay tsy anaty lisitra; fanerena an-kitsirano hampiakarana ny tahan'ny fandraisana anjara izany toy ny milaza fa maro no nifidy kokoa noho ny tsy nifidy tamin'izay voasoratra anarana, izany hoe lasa tsy mikaonty intsony ny fijerena ny tahan'ny fandraisana anjara noho ilay fanapahan-kevitra... nefa tsy nahafitaka ny fiarahamonina iraisam-pirenena izay toe-javatra izay (3) Noterena ho karazan'ny ao anaty aizina avokoa indray ny fanisam-bato rehetra ka tsy maintsy ampiasaina ny jiro. Ny voamarik'ireo nanatrika ny fanisam-bato, indrindra fa tany amin'ny toerana tsy maintsy nampiasana labozia dia ny mpanonona ny vato ihany no nahita izay nomarihin'ny mpifidy ao amin'ny biletà fa ny hafa dia tsy mahita na inona na inona, rehefa stylo no nanaovana ny tanam-bokovoko. Ny hafa rehetra dia mpihaino fotsiny ihany fa tsy tena mahita akory izay marika anaty biletà.

Hatreo ihany no tadidiko eto am-panoratana fa efa bebe ihany no nilaza ny tsy fahatomombanan'iny fitsapa-kevi-bahoaka tsy dia misy manaraka intsony izay valim-pifidianana avy aminy iny na mpanohana fitondrana izy na tsia.


Fanonganam-panjakana am-bava

Mbola miady hevitra tamin'izay tena nitranga marina tamin'ity raharahan'ny miaramila ity ny mpitafatafa na andavanandro io na an-tserasera. Ny famintinana amin'ny ankapobeny no mametraka fa (1) ny vola no tena niasa tamin'iny raharaha iny ka nahatonga ny fifampitifirana tsy nahitana naratra na maty teo amin'ny andaniny sy ny ankilany, fa zavatra hafa kosa indray ny any amin'ny fanadhiadiana any. (2) Efa nisy ny fikasana hisambotra manamboninahitra vitsivitsy nialoha ny fifidianana ka heverina fa ry zareo ireto izany kasaina hosamborina izany, dia tsy maintsy niditra tamin'ny dingana manaraka angamba ry zareo na dia mbola teo aza ny fifandirana amin'izay tokony hitarika avy eo raha ny filazan'ny tananews no inoana. (3) tsy hoe rava iny fikomiana iny dia vita hatreo ny raharaha fa mbola hendratra avokoa ny rehetra sady mitaintaina satria tsy niravona hatreo akory ny krizy. (4) Ny fipoahana etsy sy eroa manaitaitra ny olona ka mitety toerana maro dia mety ho endrika tolona hafa indray mety hahery vaika kokoa noho ny teo aloha. Tsy fantatra anefa hatreto hoe iza no tena manao ireny fanaitairana ireny hatreto. Dia atsahatro kely aloha!


Jentilisa 22 novambra 2010 amin'ny 12:19



Izay hitako sy niainako ny andron'ny 10 novambra 2010

2010-11-10 @ 23:39 in Andavanandro

Dia raikitra indray ny sakoroka ny andron'ny alarobia 10 novambra 2010. Indrisy moa fa tsy nitondra fakantsary ny tena hamoahana an-tsary ny zava-nisy niainana androany. Na izany na tsy izany dia mety ho nanana olana lehibe izay mpaka sary rehetra ka tsy manana karatra maha-mpanao gazety, sahirana indray noho izany izay olo-tsotra tia mamoaka vaovao sy ny zavatra hitany an-davanandro raha tsy mahay miafina sy mipirina mandritra ny fotoana misy fihetsiketsehana ireny.


Azo lazaina ho tsara vintana ihany ny tena raha nahita imaso sy afa-nanaraka lavidavitra ny toe-javatra nisy teto Antananarivo satria nandritra ny fotoana niasana no nisian'ilay sakoroka ary somary nampivezivezy ihany ilay asa. Raha somary nandreraka ahy ilay asa tamin'io andro io dia nahafaly ahy kosa indray satria ahafahana mijoro vavolombelona. Ilaina ny manoratra izay sasinteny izay fandrao misy milaza indray fa nandao ny asako aho dia lasa nijerijery ny zavamisy.


Ny maraina raha somary nitohatohana izay ny arabe teny Andohan'Analakely ka teo anoloan'ny BNI-CA no nisy ny fiara nandehanan'ny tena tokony ho tamin'ny sivy ora maraina iny dia nahatazana kamiaon'ny mpitandro ny filaminana heveriko ho ampolony samy feno avokoa niakatra ho any Ambohijatovo. Vantany vao nahita izany ny tena dia ny fitokonana tany Ankatso avy hatrany no tao an-tsaina. Nanontany tena ihany raha hahasahy handika ny fahafahan'ny Anjerimanontolo ireo ka handrava ny fihetsiketsehana misy ao. Etsy ankilany ihany koa dia mety hisy angamba ny fanahiana hoe hivoaka ny faritra misy azy ireo mpanao fihetsiketsehana ireo. Hay tsy diso loatra ny eritreritra saingy niandry lavidavitra kosa ry zareo fa nitoby teo anoloan'ny Shoprite Antanimora (misy an'izany koa eo fa mety mbola tsy fantatrareo na hitanareo). Etsy andaniny mety hisy koa ny mpanararaotra ka dia aleo misoroka raha azo atao.

Teny ampodiana atoandro ny tena dia nahatazana kamiao feno mpitandro ny filaminana miisa dimy manakaiky ny fitoeram-panafody etsy Antanimena, izany hoe efa latsaky ny 100m andrefan'ny Kianja Malacam hivorian'ny mpanaradia ny ankolafy telo. Efa hita mijorojoro eny ihany koa ny ireo olona hita mihitsy fa mivonona ny hiditra ao an-kianja na dia mikatona aza ny vavahady. Reko moa avy eo fa raikitra ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso tokony ho tamin'ny iray ora folakandro teo ho eo. 

Rehefa namonjy asa indray anefa ny folakandro dia toy ny tsy nisy na inona na inona ireny nitranga fa dia mizotra milamina ny olona hamonjy ny fanaony. Rehefa tena teo akaikin'ny vavahady ny tena vao tena latsa-dranomaso tsy fidiny fa toy ny voantsakay ny maso. Mahery dia mahery ihany baomba mandatsa-dranomaso ry zareo a! nisy fotsiny ireo mpitandro ny filaminana no karazany miambina ny toerana tsy hidiran'ireo heveriny mety ho mpanao fihetsiketsehana fa mamela malalaka kosa ny olona handeha manaraka ny lalan-kely satria lala-manivaka rahateo io lalankelin'ny kianja Malacam io. Dia hitako ihany koa ireo mpanao fihetsiketsehana nameno ny arabe manoloana na nadrefan'ny Blueprint teo aloha fa magro eo akaiky moa no tena fantatry ny besinimaro. Mbola afaka nizotra soa amantsara avy any Antanimena nankany Soarano ny fiarakodia tamin'io fotoana io (efa amin'ny roa ora filakandro).

Nisy ny nanirahana ny tena ka dia lasa nankany. Teo amin'ny fiverenana no nahita toe-javatra. Teny Ambohijatovo mankeny Analakely aho dia gaga raha nikatso tampoka ny lalana nefa nalalaka ery avy any Antsahabe tany. Tia tsofotsofoka ny tena koa dia nitady lalana hatrany. Teo andrefan'ny mpivaro-boky na ampita atsimo atsinanan'ny tranon'ny Minisiteran'ny mponina sy ny tanora aho vao variana fa be dia be ny olona no mitazana miankandrefana toy ny hoe misy inona ireny. Hay ilay lalana Analakely misy zotra efatra iny ka ny roa miakandrefana ary ny roa miatsinana dia mivadika tsikelikely ho zotra efatra miatsinanana avokoa. Misy zavatra izany any ananonanona any saingy tsy hita hoe aiza fa ny fiara mirepirepy sy mampaneno ny anjombona no nahataitra ny olona. Mbola nisisika ihany aho ka teo ampitan'ny BNI-CL (indroa aho izay no nanoratra io orinasa io androany) ni niantsona kely. Tsy te-hiverina hiantsinanana velively ny tena satria efa mikatso tanteraka ny lalana. Niova ho lasa zotra tokana (sens unique) avokoa ny lalana rehetra. Tsy nahitana polisy intsony nandamina ny fifamoivoizana. Efa ho adiny iray angamba na latsaka kely vao nihanadiodio ny arabe dia mbola ninia ihany aho niakandrefana satria any no misy ny birao fiasako tsinona.

Nihanalalaka tanteraka ny arabe teny ampandehanana saingy tsy nitodi-doha ho any Ambodifilao ny lalako fa lasa aho namonjy ilay lalana fandehanan'ny olona ka iny ampita anoloan'ny Lapan'ny tanàna iny no nandehanako fa tsy ny arabe tsy akory. Dia tonga tany am-piasana ihany. Efa zatra ity mikatona sy misokatra isak'izay mihetsika ity moa hatramin'ny herintaona ka tsy maka lagy amin'izany intsony. Saika izaho irery no nitondra fiara (soavalivy) nandeha tamin'ilay arabe malalaka dia malalaka tsy nahitana fivezivezena fiara hafa intsony. Kanjo vao tonga kelikely aho dia nirahina indray ho any amin'ny faritra andrefan'Antananarivo any (efa tafavoaka ny faritry ny renivohitra). 

Noho ny fitiavana mitsofotsofoka fa tsy hiaritra ny tsy fihetsehan'ny fiara dia lasa tany Faravohitra nanaraka ny Pavé indray ny zotra fa tsy nidina nankany Behoririka. Hay nisy zavatra nitranga tokoa tao Behoririka tao ka tsy hay na efa nisy ilay fiara may na tsia. Tonga manko dia tsy azon'ny fiara naleha intsony ny mankeny amin'ny Irresistible na Gauloise araka ny fahafantaran'ny taloha azy ka nitodi-doha niverina avokoa ny fiara rehetra. Hatreny Faravohitra aho no nidina namonjy an'Antaninandro sy Ankadifotsy. Nitohana tanteraka ny fifamoivoizana tamin'io fotoana io saingy afa-nandeha ihany aho satria tsy nahitana fiara loatra ny andaniny mpifanena. Nony tonga teo amin'ny tobin-dasantsy Ankadifotsy dia tsy maintsy niova lalana hizotra handalo ny FJKM ANkadifotsy indray satria nitohana tsy afa-nihetsika intsony ny fiara rehetra mikasa ho any Antanimena. Voatery nandeha tany Ambodivona noho izany ny tena ka ilay mandalo ny tobin'ny Jirama na centre Commercial iny no niafiana nandehanana. Feno olona ny sisindalana tamin'io mijery izay fivoaran'ny toe-draharaha fa tsy hoe mpandelo ireo tsy akory. Marihina fa nitohana tanteraka zara raha afa-nihetsika ny fiara tamin'ireo lalana ireo fa soavalivy moa no nentin'ny tena ka tia tsofotsofoka. Teny Ankorondrano Anoloan'ny Jesosy Mamonjy vao nalaladalaka kokoa ny lalana ary tsy voambahambahana loatra intsony ny fiara nandeha.

Niandry fotoana elaela mihitsy indray aho vao nikasa hitodi-doha ho any amin'ny birao fiasana indray. Nifanena tamin'ny kamiao iray sy fiara tsy mataho-dalana iray feno mpitandro ny filaminana aho teo Ambodimita dia nieritreritra fa efa milamina izay ny tany an-tanàna (Antanimena -Behoririka - Soarano) hay mbola diso fihevitra ny tena. Nizotra tsy dia nisy tomika loatra ny lalana nanaraka an'Ambohimanarina iny. Teo Antanimena amin'izay dia gaga nahita ireto zatovolahy nihazakazaka avy any atsinanana any. Ny andro amin'io efa amin'ny enina ora hariva teo ho eo. Hay mbola manala azy tsara mihitsy ny mpitandro ny filaminana nandefa baomba mandatsa-dranomaso. Mbola nidrikina nandeha tamin'iny lalana avy any Antanimena ho any Soarano iny ihany aho, izany hoe ilay mandalo Malacam io, fa tonga dia toy ny nahitsin'ilay miaramila iray izay ny basy fandefasana baomba mandatsa-dranomaso ary natodiny taty amiko ka nalefany amin'izay. Tena kofona tanteraka sy nikohaka mihitsy aho ankoatra ny ranomaso latsaka fa tsy maintsy nalefako hatrany ny fiara. Nihevitra manko aho fa tsy ho azoko atao velively ny hijanona eo. Nialoha izany anefa dia hitako tsara ny miaramila nandefa baomba mandatsa-dranomaso tamin'ny olona anatin'iny lalan-kelin'ny kianja Malacam iny. Tsy misy lalana andehanan'ny olona anie izany hoy aho anankampo. Teny akaikin'ny Piment Cafe Behoririka amin'izay aho vao somary niato kely nanisin-delo sy namaoka ny ranomaso satria teo no somary mba nilamindamina dia nanohy ny dia amin'izay avy teo. Tonga tany amin'ny birao ihany avy eo.

Raha tonga aho dia mbola betsaka hay ny miaramila teo amin'ny fiantsonan'ny fiara fitaterana teo Soarano sady toy ny mifampihantsy vinany tamin'ny olona tia jerijery ihany. Tsy nahitana fiara betsaka intsony ny arabe fa betsaka tsy toy ny mahazatra kosa ny olona nandeha an-tongotra. Ireo rehetra tratran'ny voa manodidina avokoa angamba satria tsy misy ny fiara hitatitra azy ireo mody. 

Rehefa nirava dia mbola nijerijery ny zavamisy tany Behoririka nisy ilay fiara may. Hay mbola tsy azon'ny fiara naleha tany fa ny mpandeha an-tongotra ihany no nizotra teny. Nalain-dry zalahy ny hazo heverina ho fefy na tranon'ny mpivaro-damba dia ireny no nodorany natao ho karazana barazy. Teo anoloan'ny Shell no nisy ny barazy voalohany, fefy afo avokoa no lazaina amin'izany ary rahonan-dry zalahy izay mitady hitondra fiara mankany. Mbola hita teo ilay fiara may ary maromaro ry zalahy no mitady piesy mety azo ampiasaina tamin'io fiara io. Efa voavadiky ry zalahy kosa ny fitoeram-pako teo ambany tetezan'i Behoririka ka nataony barazy ho azy koa. Nisy koa ny takelaka fanaovana dokambarotra nopotehin-dry zalahy ary nataony sakana ihany koa. Misy afo ihany koa moa teo. Teny amin'ny fiviliana ho any amin'ny fiantsonan'ny fiara eny Andravoahangy kosa ny sakana fahatelo ary sakan'afo hatrany. Tanora tsy ampy taona ny ankamaroan'ireo lazaina ho mpanao barazy ka toy ny manala azy fotsiny. Tsy ela moa fa dia hita tamy avy any ny fiara tsy mataho-dalan'ny mpitandro ny filaminana sy ny kamiao miaraka aminy misosososo toy ny manao befihavy hampandositra ny mpanao barazy angaha! nefa matetika dia tsy mitoetra ela eo ry zareo fa mandalo fotsiny hany ka miverina indray iretsy tsy mahita atao fa mamelona indray ny afo hanaovana barazy. Hay, hono, efa toy izany hatrany no nitranga nandritra ny ora vitsivitsy.

Nody ny tena avy eo ka gaga ihany fa betsaka indray ny fiara fitaterana mbola mitatitra olona tamin'izany ora izany ka mandeha mankany an-tanàna. Raha andro mahazatra anefa dia efa tsy hahita izany taxibe hankany an-tanàna izany intsony ianao. Betsaka ry zareo tamin'ity indray mitoraka ity. Asa inona no mbola nampazoto an-dry zalahy tamin'izany ora izany sa izay vao manenjika versement? Rehefa tonga teto an-tanàna indray aho dia nahita ireto polisy roa lahy namily lalana ny fiara rehetra tsy hankany aminay. Fantatro avy hatrany fa handalo eo izany i Andry Rajoelina ka tsy maintsy asiana karazana fiarovana ihany eny amin'ny lalana diaviny. Tsy ela tokoa dia indreo ry zareo miaraka amin'ny fiara mpialoha lalana sy fiaran'ny mpiambina mizotra amin'ilay lalana nefa tsy mitabataba na mandefa ny jiromangany loatra fa manao valala manjohy hatrany. Dia izay ary aloha ny notantaraina satria izay no hita (sy ny kely re)


Jentilisa, 11/11/10 amin'ny 01:39

Volana iankinan'ny ho avin'ny firenena (1)?

2010-11-05 @ 22:32 in Andavanandro

Ela sahady izay tsy nifampitafana teto izay na dia maro dia maro aza ny toe-javatra nitranga teto amin'ny firenena, na teto an-drenivohitr'i Madagasikara no marina kokoa. Mety ho liana tanteraka ianareo any ivelan'i Madagasikara any ka hiezaka aho ny hanentsina araka izay tratrako ny banga sy hitantara ny zavatra andavanandro tsy voalaza nefa mety hidika zavatra ihany amin'ny ho tohin'ny tantara.


Lanonana ho avy TEDxAntananarivo

Lanonana ho avy afaka fotoana vitsivitsy aloha no hambara etoana satria maro rahateo ny tanàna na firenena efa nandray na nanomana ity karazan-danonana iray ity. Sehatra hifampizarana izay mety hanatsarana ny ampitso eo amin'ny sehatra manerana izao tontolo izao, mba tsy hitoetra ho nofinofy fotsiny ihany io ampitso io fa misy tokoa ny hevitra tsara zaraina sy tanterahina. Tsy diso anjara amin'izany sehatra hifampivelarana izany isika Malagasy sy ny eto Madagasikara, hany ka misy ireo Malagasy sy vahiny vitsivitsy hitondra ny anjara birikiny sy hampandray anjara an'i Madagasikara ao anatin'ity sehatra iray ity. Ny TEDxAntananarivo no hotanterahina amin'ity volana novambra 2010 ity avy hatrany. 


Sehatra malalaka dia malalaka izy io ary tsongoin'olom-bolo sy vato nasondrotry ny tany no tena iriana handray anjara. Na dia miteny aza aho eto hoe malalaka ny sehatra dia ataoko fa tsy dia tsara loatra na diso toerana raha iresahana politika na fivavahana ao  satria tsy Antananarivo na Madagasikara irery no voakasika amin'ny tafatafa fa ny firenen-drehetra ihany. Tetikasa tsy miankina amin'ny fanjakana rahateo izy io ka fifanentanana tsy miankina amin'ny fanjakana no hisongadina. Mety hisy ny lahatsoratra manokana hataoko momba azy io fa ho fiomanana dia amin'ny 26 novambra 2010 no hanatanterahana azy ao amin'ny Garan'i Soarano ary ato misy lahatsoratra amin'ny teny malagasy tsara vakiana manazava dieny izao ny mombamomba azy.



Fefy fanitso manerana ny lalana

Hivadika tanteraka ny resaka eto fa dia ho politika sy fivavahana tsy misy idiran'ny TEDxAntananarivo amin'izay ny ankamaroan-dresaka. Na ahoana na ahoana dia hita taratra ny asan'ny kaominina Antananarivo renivohitra, na ny zava-bitany no marina kokoa. Efa noresahina ihany ny tetikasa 119, izay tokony hiainga amin'ny alalan'ny fametrahana Toeram-piatoana na toeram-piantsonan'ny fiara fitaterana misy ialofan'ny olona miandry bus. Ny voamarika eto an-tanàna aloha ny famefena sy fandravana foto-drafitrasa vitsivitsy heverina hananganana drafitrasa vaovao. 


Hita izany manoloana ny Tsangambaton'ny Mpitolona tia tanindrazana Ambohijatovo (fitenitsika azy moa dia tsangambaton'ny MDRM). Faritra roa no misy fanitso eo ary ny iray kosa nolamahina dia ny manoloana ny fivarotamboky tonta eo Ambohijatovo. Ireo faritra misy fanitso sy efa vita fanapotehana ny ao anaty fefy moa dia ny fiantsonan'ny fiara fitaterana Ambohijatovo mitodika mankany amin'ny tonelina Ambanidia sy ny ilany avaratra amin'ny fefy fidirana mankao amin'ny zaridainan' Ambohijatovo. Mampanontany tena moa ity voafefy fanitso farany ity hoe inona no tena tiana apetraka eo satria raha fiantsonan'ny fiara fitaterana vaovao ilay izy dia lasa hatreny amin'ny arabe izany ny olona no miditra ao anaty fiara fa tsy hatreo amin'ny sisindalana. Angamba zavatra hafa no atao eo ankoatra ny hoe niova hevitra amin'ny toerana hametrahana ny fiatsonana vetivety ry zareo.


Ny heverina ho fanamboarana faharoa hita indray dia amin'iny faritra atsimon'ny farihin'Anosy izany. Ny marina kokoa dia ny ampitan'ny lapan'ny fitsarana sy ny manatrika ny foiben'ny fampielezam-peo sy sary an'ny fanjakana (RNM sy TVM). Tarafina ho te-hanitatra ny velaran'ny arabe ry zareo. Nahena be dia be ny sisindalana ho an'ny mpandeha an-tongotra amin'iny ampitan'ny Lapan'ny Fitsarana iny. Ny mpijery ny zavamisy ihany koa dia mahita ny fanalana ireo hazo somary akaiky arabe kokoa amin'ny fiatoana manoloana ny radio Anosy sy ny tsangamby ary heverina fa hanitarana arabe no antony na mety hananganana ilay fiatoana ao anatin'ny tetikasa 119 ihany. Mbola eo am-pandravana ihany koa ny mpikarakara eto fa tsy mbola tafiditra amin'ny fananganana.


Ny fandravana fahatelo hitako kosa indray dia ny eo amin'ny 67ha manoloana ny tranom-piantohana Ny Havana. Efa ho am-bolana sahady izay ny nanesorana ny fiantsonan'ny fiara fitaterana teo ka namindrana azy ireo ho ao 67ha afovoany andrefana ny sasany ary etsy Vassacos Antanimena kosa ny hafa. Ny hita dia nesorina avokoa ny faritra amin'ny sisindalana ka nahatery ny sisa amin'ny arabe. Noheveriko ho hevitra tsara, sady efa nosainiko nialoha ny nalamahana azy, ny fanesorana ny trottoir afovoany noheverina hatrany ho atao zaridaina nefa tsy misy voninkazo na zavamaitso mety vanona loatra teo nefa somary diso fanantenana ihany aho raha mbola averina indray ilay "sisindalana" afovoany nolazaiko teo. Heveriko manko fa mba mampalalaka kokoa ny arabe ny fanesorana tanteraka ireo zaridaina-sisindalana afovoany ireo fa atao toy ny eny Ampefiloha iny izy raha tsy maintsy sasahina ihany ny arabe. Marihana fa ireo faritra telo lazaiko ireo dia 


Marihana fa izy telo ireo dia samy eo am-pandravana hatrany fa tsy mbola nahitana fanorenana mihitsy. Lasa ny eritreritra hoe tsy mbola tonga angaha ireo entana na kojakoja kasaina apetraka amin'ireo faritra voatonona ireo no avela hihanjahanja mampalahelo ny tanàna? Sa misy entana indray any ho any andrasana hivoaka hanaovana ny fananganana. Etsy ankilany anefa azo atao ihany koa ny mieritreritra hoe raha vao esorinareo eo aho dia tsy misy tohiny ireo foto-drafitrasa kasaina atsangana fa dia efa potiko aloha ny toerana vitsivitsy, nefa sao dia lasa lavitra loatra indray ny eriteritro. 


Fa na dia te-hiresaka momba ny Hetsika nataon'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana sy ny tao amin'ny Malacam ary ny fihetsiketsehana nataon'i Andry Rajoelina momba ilay jamba mpamaky teny teo amin'ny tohatohabaton'Antaninarenina aza aho (izay tsy tokony hotsinontsinoavina velively araka ny hitako any amin'ny lahatsoratra hafa any) dia aleo asiana hoe hitohy fa tahaka ny lava sahady izany voasoratra izany ka sao monamonaina eo ianareo. Kasa hiakatra eny amin'ny Rovan'i Manjakamiadana ny Asabotsy 6 novambra raha mbola azo asisika ny fandaharam-potoana na dia ho sarotra aza ny hampahalalaka ahy  


Jentilisa, 06 novambra 2010 amin'ny 00:30

Ny mahavoa ny metisy

2010-10-17 @ 22:53 in Andavanandro

Ireo mpamaky ahy hatramin'ny ela dia efa mahafantatra tsara ny fomba fanoratro. Angamba tsy dia mivaona amin'izay ity ataoko etoana ity. Gaga ihany ny tena raha nahita fa feno setroka sy mafana ratsy izany ny teto andrenivohitra omaly alahady. Tsy nahare vaovao loatra moa ny tena sady tsy niserasera, no tsy manaraka haino aman-jery rahateo fa hay nisy nandoro ny ala tokana any amin'ny Itasy antsoina hoe Ambatofolaka, araka ny nolazain'ny namana iray tao amin'ny twitter, sady mpiara-mandika lahatsoratra ao amin'ny GlobalVoicesOnline.org teny malagasy ihany koa moa. Raha ny vanim-potoana dia fanaovan'ny olona ny doro-tanety tokoa izao ary dia ataony ihany koa ny doro-ala. Saingy tena mampalahelo sy mahonena kosa ny toe-tsaina amin'ny fandoroana ny tanety sy ny ala ka mahatonga ny eritreritra indraindray adala ka manao anankampo hoe maninona raha ajedaka any ny olona tratra manao tsinontsinona ny firenena sy ny ho avin'ny taranaka tahaka izao?


Mitovitovy amin'izany ihany izay tantaraiko etoana. Nisy nandoro ny fako tao anaty daba fanariana azy, ka nitady hahatratra ny fefy voajanahary na fefy kipreso ana villa ipetrahana vazaha tale-na banky iray eto Antananarivo ny Asabotsy atoandro teo tamin'iny manodidina an'Ankatso iny. Nanao hazolava (nitady fanampiana) tamin'ny mpiara-monina manodidina io vazaha io hamono ilay afo. Tonga tokoa ny fokonolona satria mety ho tratran'ny afo rahateo ny tranon-dry zareo akaiky io afo tamina fanariam-pako io. Vao nahita ny firodorodon'ny olona anefa ramatoa metisy vazaha-malagasy (izay handraisanareo azy fa metisy gasy izy izany aloha!) vadin'ilay vazaha tale-na banky dia nandroandroaka ny olona sady nanompa izay averiko eto angamba satria tsy mampaninona loatra antsika mpamaky rehefa amin'ny teny frantsay ilay ompa: "Allez cochons! Couillons! Vous, les Malgaches, ne savez que voler!" Hatezerana ny an'ny olona ka dia lasa avokoa, samy niaro ny tranony tsy ho azon'ny afo sisa. Izany hoe rehefa amina toe-javatra sasany, toy ny hirotsaka hofidiana filoham-pirenena na solombavam-bahoaka ohatra, dia mihazakazaka ny ho Malagasy ny Metisy SASANY fa any no misy ny tombontsoa fa amin'ny toe-javatra hafa kosa indray dia manava-tena ho tsy Malagasy ny Metisy SASANY. Manahirana izany rehefa tsy Malagasy manontolo ilay olona amin'ny toe-javatra sarotsarotra ka mahasahy manompa ny Malagasy, izay tsy sahin'ny tena vahiny natao loatra.


Tonga ny Mpamonjy voina izay nanao sarimihetsika ihany koa. Fiara roa no hitan'ny fiarahamonina tonga fa mody najanona tery ambany lavidavitra tery ilay fiarabe mahazaka rano betsaka kokoa fa fiara somary kely kokoa no tonga teo an-toerana. Ireo mpamonjy voina "Sapeurs-pompiers" ireo ihany no afa-niditra tao amin'ny faritr'ilay villa izay efa may ny tranon'ny mpiambina ny tanàna fa efa niredaka tamin'ny hazo kypreso moa ny afo. Lany vetivety ny rano nentin'ny fiarabe voalohany dia mody niantso ny lehiben'ireo mpamonjy voina tonga tao an-toerana. Nampaneno anjombona amin'izay ilay fiarabe najanona tery lavidavitra somary takona tery ka nitabataba ery ry zalahy hoe iny fa tonga ny renfort, te-hiseho amin'ny tompon-trano izany ry zalahy fa tena manao ny asany sady vetivety amin'ny zavatra atao.


Maty ihany ny afo nony ela ny ela, lasa ny mpamonjy voina vao gaga ry tompontrano fa nisy entana sarobidy maromaro no nanjavona tao an-tranony izay tsy tena voakasiky ny afo loatra ankoatra ny manoloana ny trano sy ny lavarangana. Tsy nisy fokonolona tafiditra aloha tany fa ny mpamonjy voina sy ny tompontrano ihany no afaka nivezivezy tao. Dia lasa amin'izay ny eritreritra hoe efa fikasana mialoha ve ny hangalarana tao an-trano ka mody nandoroana fako teo akaiky teo hanasaritaka ny fifantohana amin'izay mpangalatra mety ho efa tafiditra tao an-trano; sa tamin'ireo mpamonjy voina no misy fainga-tanana satria raha efitra betsaka kokoa no may dia heverina hoe may koa ny zavatr'olona tsy hita? Dia ahoana moa izany fa marina ihany ny tenin'ilay vehivavy metisy malagasy mandà ny maha-malagasy ny tenany niteny hoe : "Allez cochons! Couillons! Vous, les Malgaches, ne savez que voler!". Tsy io kosa aloha ny nataoko ho lohateniny fa mba famelezana ny metisy no nataoko...


Jentilisa, alatsinainy 18 oktobra 2010


Ampihimamban'ny rano eto Madagasikara?

2010-10-15 @ 22:37 in Andavanandro

Manohy ny #BAD10 – Blog Action Day 2010 - water na andro ihetsehan'ny bolongana momba rano amin'ity 2010 ity angamba ny lahatsoratro. Nahatalanjona ny tena tokoa ny nampifandraisan'i simplex tamin'ny resaka nifanaovan'i Jesoa tamin'ilay vehivavy Samaritana teo am-patsakana toy ireny fitantarana sarimihetsika fitoriana fitiavana ireny. Ho an'izay tsy maharaka loatra ny fandehan'ny tantara nataony moa dia tsara ihany koa ny mamaky ny Evanjely na Filazantsara na Vaovao Mahafaly nosoratan'i Jaona toko faha-4 andininy faha-6 ka hatramin'ny faha-15, izany hoe ao amin'ny baiboly. Antoky ny fiainan'ny zavamananaina rehetra ny rano na ho an'ny biby izany na ho an'ny zavamaniry, ka tsy mahagaga raha manana ny anjara toerany manokana ihany koa amin'ny fivavahana io rano io, fitaovam-panadiovana izy amin'ny ankapobeny ary endriky ny fahateraham-baovao raha ny eo amin'ny sehatra kristiana raha ny batisa na batemy no heverina.


Saingy na dia toa miresaka fivavahana aza ny tena dia tsy any akory ny resaka fa ny momba ity rano ity aty an-drenivohitra. Fahakely dia mba nisotro rano tamin'ny paompy tokoa izahay indraindray. Nozarina ihany anefa ny tena hisotro rano avy nampangotrahana na dia efa mangatsiaka aza izany rano izany mba hahafaty ny mikroba mety hahatonga areti-kibo. Taty aoriana dia lasa nizatra tamin'ny rano tamin'ny tavoahangy novidiana somary lafolafo ihany. Toy ireny hoe miakatra fari-piainana ireny rehefa mividy rano amin'ny tavoahangy raha ny vahiny mpizahantany ihany no hita mpividy ireny ampolony taona lasa izay.  Ka ireny, hono, no tsara antoka ho mahasalama ka dia izay izany. Tsy dia nahazatra loatra ny misotro rano notantavanina na dia tokony ho mora kokoa aza ny vidin'izy ireny.


Fa ny somary mahavariana ahy amin'ny resaka rano amin'ny tavoahangy ity dia ny endrika ampihimamba manjaka eto amin'ny firenena. Ny fantatro aloha dia telo no tena fantatra amin'ny fivarotana rano amin'ny tavoahangy amin'izao fotoana izao eto Madagasikara. Ny roa voalohany dia ny Eau Vive sy ny La Source mahasahana ny ampahany be dia be amin'ny tsena eto an-toerana dia orinasa iray ihany no miandraikitra azy. Henjana dia henjana angamba ry zareo amin'ny resaka dokambarotra ka saiky lasany ambongadiny manontolo ny tsena. Efa tsy hita intsony tokoa moa ny Olympiko izay nifaninana soa aman-tsara tamin-dry zareo ka tsy dia misy manohintohina loatra intsony ny lalany. Ny iray farany kosa no mora indrindra fantatro sady tsy ratsy velively saingy tsy mety mahasahana ny tsena fa dia ifampitadiavana vao mety hita, tsy mba mitatitra any amin'ny mpivarotra ihany koa angamba ry zareo ka izay no tsy mba ahitana azy loatra : Sainto. Araka ny fanamarihana nataona olona iray izay dia tokony ho amin'ny teny malagasy no hamakiana io vokatra farany io (Sento) saingy noho ny mety tsy hahaizan'ny vahiny mamaky ny anarany (hitanareo fa fatra-panaja vahiny loatra isika Malagasy) dia natao tahaka io ny anarany. 


Mety hisy ny hafa any ho any amin'ny vokatra eto Madagasikara fa ireo ihany aloha no fantatro. Tsy dia niresaka loatra ny rano sy ny fiainana any ambanivohitra ny tena fa mba anjaran'ny hafa no tena mety. Ny tena moa tsy dia mpisotro rano loatra fa karazan'ny terena mihitsy vao mety hahatratra ny fatran'ny rano 1,5 litatra isan'andro izany. Fa mihamafana moa ny andro eto an-toerana ka dia mitady rano daholo ihany ny olona sy ny tena ka mba mahazo betsaka kosa ny mpivaro-drano sy zava-pisotro.


Jentilisa 16 oktobra 2010, amin'ny 00:36

Antananarivo: renivohitra manao haingon'ambanivohitra

2010-09-24 @ 13:47 in Andavanandro

Samy manana ny haingo sahaza azy avokoa ny tanàna tsirairay avy. Raha renivohitr'i Madagasikara kosa i Antananarivo dia tokony ho taratry ny maha-tanàna lehibe sy mivoatra ary fitaratry ny firenena manontolo izay. Toa tsy mifanaraka amin'izany fandrosoana izany kosa ny haingo tadiavina atao manerana ny tanàna andalam-pananganana amin'izao fotoana izao. Asa noho ny vola maika sintonin'ireo manao ny asa ve sa ahoana fa dia tahaka ny ho zara fa vita ireo haingo karazana fefy tamboho entina manafina ny trano ratsy bikan'ny "ambany tanàna". Efa tazako ihany ireo toy ny tamboho ireo teny amin'ny tetezana ho eny Ampasika Itaosy iny ka noheveriko fa haingo manokana ho an'io faritra io. Ankehitriny kosa dia nihisaka tsikelikely manaraka ny sisin'ny 67ha atsimo, Andavamamba ary Ampefiloha iny, ilay fefy tamboho amin'ny loko volom-potaka (mety ho natao ho lokon'ny tambohon'ny Ntaolo ve?). Tsoriko avy hatrany, fa raha ny fijeriko, dia tena tsy manintona velively ireo endriky ny tamboho ireo, raha ny amin'izao fotoana izao. Toy ny miverina any amin'ny zato taona lasa any ny tena, fa ratsy kely mampalahelo na ny endriny na ny lokony. Tsy mba manana manampahaizana momba ny haibika sy haiendrika (design) ve ny mpitantana eto Antananarivo amin'izao fotoana izao?

Haverina hoe ny tsenan'Anjoma?

Raha nisy ny nanaratsy endrika sy nandoto indrindra ny afovoan-tanànan'Antananarivo dia noho ny nanaovana an'Analakely manontolo ho lasa tsena. Tamin'ny voalohany, nandaminana io tsena io voalohany, dia nanana ny endriny ny fampizarazarana ny faritra ho an'ireo sokajim-barotra isan-karazany. Tamin'ny nanesorana ilay tsena kosa efa ny friperia no nanjaka nanerana ny tanàna ka na ahoana na ahoana fandresen-dahatra ataon'ny mpitantana an'Antananarivo amin'izao fotoana izao, izay tsy nofidiam-bahoaka, dia tsy ny hasin'ny tsena isan-joma no ho tafaveriny eo fa fanomezana vahana ny mpivarotra amoron-dalana hibahana manontolo ny arabe amin'ny andro zoma no dikan'ny tetikasa apetrany. Mila ny hevitry ny Besinimaro ny fanapahan-kevitra toy izao fa tsy ataotao foana. Averiko indray, ny mpivarotra amoron-dalana miaraka amin'ny vokatra shinoa no hanjaka amin'izany tsena averina izany fa tsy ho voafehinao velively izay tianao tadiavina atao eo. Fihemorana mankamin'ny  fikorontanan'ny tanàna sady renivohitra izao fikasana izao.

Zaridaina mifefy

Efa miresaka Analakely ihany. Nesorina tsikelikely amin'izay ny fefy hazo fa hosoloina fefy vy ireo zaridaina mitomandavana manaraka an'Analakely. Enga anie mba tsy ny fefy vy indray no ambenana raha ny fefy vy no miambina ny zaridaina amin'izao vanim-potoanan'ny fangalaram-by izao. Asa re hanao ahoana ny fihevitry ny besinimaro amin'ity fefy makarakara vy ity? Nolokoina maitso aloha ilay izy. Iz anefa no milaza hoe ampirisiho ny olona hanitsakitsaka ny zaridaina vao nandray ny fahefana teto Antananarivo ny filohanareo?



Fa fiara lava sa fiara fohy e?

Tsy maintsy miresaka indray mandeha ilay fiara fitaterana aho. Porofo fa tsy azo atao eto amin'ny firenena ny fanjakazakana tokana, fifandanjam-pahefana no tadiavina ary izany no mifanaraka amin'ny politika maoderina fa tsy hoe satria notoherin'ny olona ianao tamin'ny fihoaram-pahefana nataonao polisy dia tsy raharahanao intsony ny fifamoivoizana eto amin'ny tanàna. Tsarovy fa raha manao ny baranahiny ny mpitatitra dia izy hatrany no ho voa fa ny olona mitady hatrany izay tonga dia mandeha fa tsy hiaritra "vodihazo" velively. Tranga tsy maintsy ho avy ny baranahiny tsy fandraisana andraikitry ny polisy na ho ela na ho haingana noho ny tetikasan'ny Kaominina 119 io. Tsy ho azo kitihina manko ny mpitatitra an'ny Kaominina raha mety ho voateritery kosa ireo tsy miankina. Lasa aloha loatra anefa ny fanoheran'ny olona. Kopaka isasahana iarahan'ny mpanera sy ny polisy manko ny famelezana ny mpitatitra tsy maintsy manome kely ny mpanera fa izay tsy manome mpanera dia asaina amboarin'ny polisy amin'ny antontan-taratasy.


Nafindra ho any 67ha afovoany andrefana indray ny fiara fitaterana rehetra eto an-drenivohitra niantsona teo ampitan'ny Ny Havana 67ha teo aloha. Miampy 200 metatra eo ho eo indray izany ny halaviran-toerana hamonjenay fiara raha handray ireny fiara ireny izahay. Izany dia noho ny fanamboarana atao eo amin'ny fiantsonana teo aloha, hikarakaraka manokana ny fiaraben'ny Kaominina. Ny mahavariana rehefa mahita ny halavan'ny fiantsonana dia mampanontany tena hoe fa tahaka ny ahoana marina ny halavan'ny fiara e? raha ny fijery azy manko dia ahiana ho ilay tsy mahaodina ny rond-point Ambohijatovo ireo fiara ireo matoa hananganana fiantsonana manokana etsy Ambohijatovo mitodi-doha ho aty 67ha (olona 80-100). Tsy maintsy ho tezitra ihany ireo mpitatitra ireo satria tahaka ny atsasaky ny mpandeha miainga avy eo amin'ny Ny Havana no very fa ny fiara indray no milahatra vao maraina, nefa teo aloha dia ny olona no mifandrombaka fiara. Asa hanao ahoana rehefa miditra ny mpianatra?


Izay indray aloha ny tsy aritra!


Jentilisa, 24 septambra 2010 amin'ny 15:03

Tsy fitokonana fa fahatezerana ilay teto 67ha avaratra

2010-09-17 @ 22:10 in Andavanandro

Na dia tsy fotoana tokony hanoratako mihitsy aza izao noho ny zavatra tokony hokarakaraina dia tsy laitra fa nitendry ny solosaina ihany. Vao tsy ampy herinandro akory aho no nanoratra fa mety ho avy amin'ny fahatezeran'ny olona noho ny resaka zotra fitaterana no hampiongana ny fitondrana misy ankehitriny, dia hita androany teto 67ha avaratra ny sombitsombin'izany fampitandremana efa nosoratako izany. Marihina fa tsy hoe fampitandremana fampitahorana no nataoko fa filazana mialoha izay mety hitranga rehefa avy ny fotoana.

Marihina fa tsy nanatrika mivantana ny zava-misy aho noho ny asa izay notontosaina fa hagagana tanteraka fony nody raha niova lalana avokoa ny fiara rehetra sy ny fiara fitaterana no nahatonga ahy nanontany ny tato an-trano tamin'izay mety ho zava-misy. Toy ny an'ny maro eto amin'ny aterineto no mba hitako raha nijery ny vaovaon'ny tvplus sy matv ny tena, ary izay ihany no novonjena nojerena.

Fitantarana fohifohy araka ny nolazain'ny saofera no somary fintinina : Mbola tsy tafavoaka ny fiara ny vehivavy lehibe iray sy vehivavy mitaiza zaza iray tamin'ny zotra 183 niala teo amin'ny fiantsonana antsoina hoe tanimalalaka (ampitan'ny Biraon'ny hetra 67ha sy ny Madahotel 67ha) no nihazakazahan'ny polisin'ny boriborintany fahafito (Kaomisarià 67ha) nalaina ny taratasy momba ny fiara sy ny fahazoan-dalan'ny mpamily hitondra fiara. Niteny noho ny fihetsik'io polisy naka taratasy io ny mpandeha tao anatin'ny fiara, ka ny mpanampy ny mpamily indray no novandrahan'ilay polisy. Natsipin'io polisy io teo anoloan'ny fanamoriana ny taratasy rehetra no niteny izy hoe hahita ianareo androany. Dia lasa ny fiara, rehefa tafaverina teo amin'ilay fiantsonana indray ilay fiara ora vitsy taoriana dia nihazakazahan'ny polisy roalahy nosintonina avy tao amin'ny fiara nisy azy ilay mpanampy ny mpamily nahatezitra ilay polisy voalaza teo aloha ihany. Tonga dia nodarohan-dry zalahy tsy nananany antra teo ilay tovolahy. Nentiny tao amin'ny kaomisarià avy eo io mpanampy ny mpamily io ka ny manjò azy aloha dia tsy fantatra mihitsy. Hatreto ny fitantarana hita tamin'ny vaovao an-tsary.

Tezitra noho io zava-niseho io ny olona nanatri-maso ka dia raikitra amin'izay ny fitenenana ilay mpamily hiantso ny namany. Ny fiara 183 irery ihany no nilahatra nibahana ny lalana teo amin'ny toerana nisian'ny trangan-javatra. Tokony ho tamin'ny telo ora teo ho eo no nisian'izay tranga izay. Nihamaro dia nihamarony olona ary tapaka tanteraka tsy azo nalehan'ny fiara intsony ny "Arabe anankiroa" izay manomboka hatreo amin'ny minisiteran'ny asa mankany Ambodin'isotry ka hatreny anoloan'ny Ny Havana. Na dia natahotra ny fiarany saiky hanala ny zotrany aza ny saoferan'ny zotra 183, dia ny olona vory maro dia maro kosa no tsy nanaiky izany. Nanahy ny amin'ny fiara ireo saofera ireo nefa niteny ny olona hoe tsy hisy hikitika izany ny fiaranareo. Mariho hatreto fa ny olona anarivony tsy laitran'ny Emmoreg natosika na nokitikitihina tamin'ny andro mazava no naneho ny hatezerany, ny fiara "nanao fitokonana" kosa tsy tafahetsika noho ny tsy faneken'ireo olona teo ny hanalana ireo fiara ireo.

Na dia tezitra aza ireo olona teny dia horakoraka ihany, fibahanana ny lalana tamin'ny vato trottoir, no tena nataon'izy ireo fa tsy nisy nitora-bato mihitsy ireo mpitam-basy ireo. Ny miaramila no nanapoaka basy sy baomba mandatsa-dranomaso, izay tonga hatreny an-tokotaninay mihitsy ny fofony ka nahalatsaka ny ranomasoko, izaho efa nody alina tsy naharaka ny "action" rehetra fa efa voasavan'ny mpitam-basy ny lalana rehefa tonga teny aho. Nojereko mihitsy manko ny arabe rehetra sao misy potipoti-bato na toy izany fa tsy nahita mihitsy aho. Ny vato sisindalana nabahana ny arabe irery ihany no hitako nitandahatra tamin'ny lalana, sy ny kodiarana nodorana. Milaza izany fa tsy nisy fiomanana velively ity fanehoam-pahatezerana nasehon'ny olona manoloana ny fihoaram-pahefana nataon'ny polisy ity.

Efa nomarihiko mazava tsara taminareo fa izaho dia anisan'ny vavolombelona amin'ny fihoaram-pahefana ataon'ireo polisy ireo fa aman-tsegondra ihany no azon'ny fiara ijanonana amin'ny fiatoana natokana ho azy, misy aza ireo fantatra fa rehefa mijanona eo amin'ny fiatoana fotsiny ianao dia efa nandika lalàna ianao ka alaina avy hatrany ny taratasinao. Talohaloha raha nimenomenona noho ny ataony ny mpandeha dia mamono sofina fotsiny ireo polisy mpanotra ireo. Teto kosa nihoatra ny fihetsika nataon'ny polisy ary dia tsy nampoiziny ny valiny nataon'ny olona. Nijoro fotsiny ireo olona ireo fa tsy nanao na inona na inona, feno avokoa ny sisin-dalana rehetra hatreny Antohomadinika nandalovako fa tsy mbola tonga saina tsara aho tamin'io, tamin'ny hamaroan'ny olona.

Soa ihany fa nahita raha ny mpizaika nody avy tany Ivato tany ka tsy maintsy hifanontany amin'izay mety ho nitranga ary hanan-kotantaraina rehefa mody any amin'ny misy azy, na dia mpanohana ny fitondrana mijoro ankehitriny aza ry zareo (mariho fa tsy miteny hoe fitondrana tetezamita na fahefana avon'ny tetezamita mihitsy aho satria tsy tetezamita intsony ny ao an-dohan'izay mitondra. Nanoratra ihany aho satria efa resy tanteraka tsy te-hitantara intsony ny mpamaham-bolongana eto Madagasikara ka lasa mangetaheta ianareo rehetra any ivelan'i Madagasiakara any. Marihina fa tamin'ny fito ora hariva vao vakin'ny mpitam-basy (tsy manonona hoe mpitandro ny filaminana aho) ny lalana nobahan'ny olona.


Jentilisa, 18 septambra 2010 amin'ny 00:00



Ny zotra 119 no mety hampiongana ny fitondrana

2010-09-14 @ 23:07 in Andavanandro

Hiresaka raharaha momba ny tanàna eto an-drenivohitra na ilay niavian’ny teny hoe politika (polis) indray aho eto. Raha nitodika bebe kokoa teo amin’ny sehatra manerana ny firenena aho tao ho ao dia hitodika kely amin’ny tanànan’Antananarivo indray. Miezaka dia miezaka tokoa ny mpitantana ankehitriny amin’ny fikarakarana ity renivohitra ity. Renivohitra izay saro-tiavina toa landy mohaka, iriarivana sy ifanenan’ny karazan’olona maro avy amin’ny sehatra maro sy fiaviana isan-karazany, dia manaraka ho azy amin’izany ihany koa ny fomba tsy mitovy. Efa ankatoky ny fankalazana manetriketrika ny faha-400 taona nananganana ny tanànan’ Antananarivo rahateo ny mpitantana ka tsy mahagaga raha mba mikofokofoka kely.


Ny zaridainan’Analakely

Zavatra iray nampalahelo ny fo ny nahita ny fanitsakitsahana ny zaridainan’Analakely nahafinaritra sy nireharehana mihitsy taona vitsivitsy lasa izay ; ka efa maty hasina tanteraka saiky tsy nahitana izay endrika mahazaridaina azy izay intsony volana vitsivitsy lasa izay. Ireo mpandoto ny tanàna sy toy ny tsy manankatao afa-tsy ny mangataka no nigalabona nipetrapetraka, natoritory sy nilalao ary nanao maloto nanerana io zaridainan’Analakely io. Noho ny nanabeazana ny olona hanimba ny zava-bitan’ny teo aloha tamin’ny alalan’ny fanerena ny mpivarotra hanitsakitsaka ny bozaka  sy hamelatra ny varotra eo ambonin’io bozaka io no fomba voalohany namonoana ny endrik’io zaridaina io.
 

Ilay notendren’ny ben’ny tanàna teo aloha no karazany nampirisika ankolaka hanimba ny endriky ny afovoan’Antananarivo io, satria karazan’ny mpiambina ilay toera-manan-tantara ihany koa moa izy ireo tsy manan-kialofana na tsy te-hanana fialofana sady tsy te-hiala amin’ny afovoan-tanànan’Antananarivo ary tena nasiaka tamin’ny fiarovana ny kianja na andro na alina. Niova tanteraka anefa vokatr’izany ny fomba fijery ny afovoan-tanàna heverina ho fitaratr’i Madagasikara noho ireo karazan’olona tsy mety miala io faritra io. Nanahirana ny olon-kafa manaraka voatendry hitantana an’Antananarivo nisolo ny teo aloha ny hanala ireo olona efa manana anarana zary fanompana ireo satria nandray anjara mavitrika tamin’ny tolona koa izy ireo tsinona. Niova anefa izany tranga izany rehefa natsangana indray ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo.


Tamin’ny voalohany dia ny faritra manodidina ny Lapan’ny tanàna ihany no nofefena. Avy eo dia nofefena ihany koa ny fiantsonan’ny fiara manatrika ny Lapan’ny tanàna. Zara raha misy ny lalana andehanan’ny fiara amin’izany famefena ny manoloana ny Lapa izany. Heveriko fa anisan’ny paika iray hanalana ireo mpanao bizina amin’iny faritra iny no nanerena araka izay azo natao iny lalana iny. Tsy nahomby loatra anefa izany paika izany fa mbola nifikitra teo amin’ny toerana misy azy ihany ireo mpibizina amin’ny fanakalozam-bola sy fivarotana finday ary zavatra maro hafa isan-karazany ireo. Tamin’izany fotoana izany dia kianja filalaovan’ny 4mi (miloka, misotro, mifoka, mi…janga) hatrany ny zaridaina hafa manerana ny lalamben’Analakely iny. Somary tsy dia nahazatra anefa ny nahita ny endriky ny tanàna amin'ireo tafo fanitso atao fefy ireo. Sahala amin'ireny hoe sisintanim-pirenena roa samihafa ilay toerana.

 
Afaka kelikely, nofefena hazo avokoa ny zaridaina rehetra  tamin’iny faritra iny, ho fanamboarana ny zaridaina. Hoy moa aho anankampo hoe hamboarina dia sokafana hilalaovan-dry kamovelona kosa aloha dia fandaniam-bola amin’ny tsy antony. Kanjo, tsy nahita loatra izay fanamboarana na fanatsarana aho fa navela hiaina fotsiny tsy ho voaelingelina ireo zavamaniry amin’io zaridaina io. Efa volana vitsivitsy sahady no lasa fa hita ho velombelom-bolo tokoa raha tsikilovina ny zaridaina, na dia nandalo ny ririnina aza isika, ririnina nampaharingitra ny voary. Azo lazaina noho izany fa hevitra vonjimaika mety aloha ilay paika « nanakatonana » ny zaridaina, fa ny fahasahiana mandrara ireo « mpiambina » nandritra ny tolona sisa no andrasana rehefa hosokafana ho endrika kanton'ny tanàna indray ireo zaridaina notakonana ireo. Ny kilema lehibe an’ny mpitantana ankehitriny manko dia noho izy ireo tsy nolaniam-bahoaka tamin'ny alalan'ny fifidianana ka tsy dia omen’ny olona hasiny loatra na dia miezaka ny manao zavatra tsara aza.

 
Ny Mpivarotra amoron-dalana

Olana iray tsy mety voavaha ny amin’ireto mpivarotra amoron-dalana ireto. Maro tamin’izy ireo ihany koa no nanaraka ny tolona volomboasary satria karazandrazany nahazo fampanantenana hahazo hivarotra malalaka nandritra ny fitantanan’ny ben’ny tanàna voafidim-bahoaka tamin’ny isam-bato 66% raha tsy diso ny fitadidiako. Ireny koa moa no « vahoaka madinika » nahazoana ny ampaham-bato nandritra ny fifidianana Ben’ny tanàna farany. Fandresena lehibe azon’izy ireo ny nanapahana ny lalana « petite vitesse » hahafahan-dry zareo mivarotra mahazo alalana anaty arabe. Tolona somary nahery vaika ihany no nahazoan-dry zareo io toerana io ka nahazoany fahafaham-po. Efa nozarina higidragidra tamin'ny mpitandro ny filaminana manko ka tsy mikoso-maso ihany koa (tombony lehibe ananan-dry zareo izany). Tsy ampy nitoeran’ny mpivarotra rehetra anefa ny toerana fa mbola henika azy ireo hatrany ny moron-dalana nisy azy ireo hatrizay.

 
Nisy ny fotoana, somary nanao fihetsika nahery vaika tamin’ny fandraofana ny entan’ny mpivarotra amoron-dalana ry zareo mpiasan'ny Kaominina,nahery dia nahery tokoa ny fifanenjehana. Maro tamin’ireo entana noraofin-dry zalahy mpiasan’ny Kaominina efa lasa « police de marchés » ireo anefa no tsy tafaverina tamin’ny tompony intsony ka lasa niheveran’ny mpivarotra fa mpanendaka sy mpangalatra nahazo alalana avy amin’ny fitantanan’Antananarivo ry zalahy ireto. Indray Asabotsy moa dia tena velona tokoa ny fifandonana satria efa masaka tokoa tamin’ny mpivarotra ny hoe mpangalatra ireo, ka mila faizina ny mpangalatra. Tratran’ny be noho ny vitsy ka tsy afa-nanoatra ry zalahy be sandry satria nisy mihitsy ny naratra araka ny fitantaran’ny mpivarotra. Voatery Narahana miaramila sy zandary mihitsy ry zalahy taorian’izany tranga izany ireo polisin’ny tsena ireo.

 
Noho ny tsikera mamaivay nahazo an-dry zalahy sy ny tondro-molotra ho mpangalatra angamba fa mety ho voatenin’ny mpitantana mafy dia mafy ry zalahy ka niova fomba fiasa. Tsy dia nanao fandraofana loatra intsony ry zalahy na dia tsy nambara ampahibemaso aza izany fa dia ny manala ireo mpivarotra amin’ny alalan’ny fahatongavana ihany no natao, ary karazany nanampy ny mpivarotra tsy manara-dalàna tamin'ny fanalana entana aza tamin'izay hitako teo Ifaliarivo Ambanidia. Tsy nisy mihitsy aloha ny fifampikasihan-tanana ao anatin’izany rehetra izany. Fantatry ny mpivarotra angamba fa tsy afa-mikasi-tanana azy ireo ny « polisy » ka dia toa tsy miraika loatra intsony ny mpivarotra. Ny hany vonjen'ny mpiasan'ny Kaominina dia ny tonga mialoha ny mpivarotra dia manakana azy ireo tsy hamelatra entana vao maraina amin’ny lalana fandehanan'ny olona sy ny fiara, toy izay natao ihany tamin'ny andro taloha.

 
Fiara fitaterana vaovao

Ny zavatra farany tantaraina nefa kosa anisan’izay tena tiana hahatongavana amin’ity lahatsoratra ity dia ny momba ny teti-panoron’ny fitantanana an’Antananarivo eo amin’ny ezaka hanatsara ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra amin'ny alalan'ny fametrahana karazana fiara « vaovao » natao hitatitra ny olona. Ainga iray ( Ainga vao II no anaran'ny koperativam-pitaterana mampitohy an'Ankatso amin'i 67ha) hanaovana izany fanatsarana ny fifamoivoizana amin'ny alalan'ny fifanampiana amin'ny mpitatitra izany ny fananganana zotra filamatra ka notsongaina manokana  ny 119. Petra-kevitra napetraky ny mpitantana hanatsarana ny fifamoivoizana ny fametrahana izay tena tokony ho fiara fitaterana an-drenivohitra ka rere fa ireo fiara mahazaka olona 30-40 no hivezivezy manerana ny tanàna misolo ireo fiara efa antitra. 


Tsy dia vahiny loatra amin'io zotram-pitaterana io anefa ny tena satria na fony nianatra, sy niasa tamina toerana iray manaraka iny lalana iny dia io zotra io hatrany no noraisiko. Raha misy koa ny toerana handehanako ka andalovan'io zotra io dia toy ny mahavantana ahy kokoa ny mandray io zotra io noho ny mandray zotra hafa. Noho izany, hiverina kely amin'ny tantarany aho hanambara fa fanamby goavana io ataon'ny mpitantana ny Kaominina Antananarivo io ka avy amin'io tetikasa io, raha tsy mitandrina ry zareo, ny hampiongana ny fitondrana ankehitriny... ary tsy vitsy velively ny miandry izay ho tohiny. Resaka tamin'izay afa-nifampitafa tamiko no lasa ahasahiako miteny izay andrasan'olona sasantsasany izay.


Tantara kely 
 
Taona maro dia maro lasa izay dia fiara antonontonony no tsaroako manatontosa ny zotra teto Antananarivo. Nisisihana dia nisisihana tokoa ny fiara (zotra 7 Analakely 67ha no tadidiko voalohany ho fandehanana rehefa niaraka niantsena tamin'ny ray aman-dreny teny Analakely fony tena kilonga tokoa ny tena). Tadidiko fa tena isisihana tokoa ny fiara ary ny mitsangana no betsaka kokoa noho ny mipetraka. Tsaroako fa tamin'izany fotoana izany dia tsy voahaja loatra fahadiovana na dia mahazo tapakila isan'olona aza ny mpandeha rehefa mandoa saran-dalana. Tonga ny fotoana efa tafiditra tanatin'ny revolisiona sosialista tsara ny firenena, nisokatra kokoa tamin'ny tany Eoropeana tatsinanana ny mpitondra, ka dia nafarana avy tany Hongrie izany fiarabe marika Ikarus mahazaka olona hatramin'ny 80-100 izany.
 
FIBATA 
 
Nolokoina mavo misy tsipika lehibe manga tanora ary nantsoina hoe FI.BA.TA (FItateram-BAhoakan'anTAnanarivo) ireo fiarabe ireo. Fiara vaovao ve moa tsy ho tsara ny lokony ary mahafinaritra ny mijery azy? Finaritra tokoa ny tena, mbola zaza, nahita izany, saingy efa olana tamin'izany fotoana izany sahady ny tsy fisian'ny kojakoja hanolokoloana ny fiara. Vetivety ihany dia potika ny fiara ankoatra izay mety ho tsy fahombiazan'ny fitantanana. Mahatadidy koa angamba isika fa nisy trondro nafarana avy tany Korea natsoin'ny Malagasy hoe trondro FIBATA noho izy ireo toy ny amalona nefa mpihinana trondro gasy.

 
FIMA 
 
Fotoana vitsivitsy taoriana indray dia tonga indray ny andiany faharoa ny Ikarus, vita eoropeana tatsinanana ihany. Nolokoina mena midorehitra na jaky indray ireto fiara fitaterana vaovao ireto ary nampitondraina ny anarana hoe FI.MA (Fitaterana Malagasy) indray. Fiaran'ny Kaominina, mijaly fadiranovana hatrany isaky ny misy grevin'ny mpianatra satria ireny fiara ireny no enjehina hivezivezena manerana ny tanàna rehefa misy ny mahatezitra... mbola kely loatra angaha ny tena fa toa tsy nahatadidy loatra hoe inona moa no tena notakian'ny mpianatra ka nakàna ireny fiaram-panjakana teo imason'ny mpianatra ireny. Nijaly tokoa ny fiara 19 raha vao migrevy ny mpianatr'Ankatso satria ry zareo hatrany no lasibatra voalohany ka ny vahaolana tsotra indrindra dia ny mody ihany fa tsy manohy ny fitaterana intsony amin'iny andro iny. Dia mbola nitovy tamin'ireo voalohany ihany koa ny olana tsy fahampian'ny kojakoja fanolo tamin'ireny fiara izany. Tsy tsaroako tsara moa fa toa nahatadidy ratsy ihany aho fa misy fiara antonontonony nahazaka olona eo ho eo amin'ny 40-50 eo nanampy ireo fiarabe Ikarus ireo tao amin'ny FI.MA. Vokany niha-najavona tsikelikely ny koperativam-panjakana ka dia ny fiara tsy niankina mampalahelo kely ireny indray no nameno ny tanàna.

 
Antafita 
 
Vita indray ny amin'iny dia ny firenena Japoney indray no tadidiko nifanaraka tamin'ny fitondrana malagasy handefa fiara fitaterana teto an-tanindrazana. Fiara marika Japoney indray noho izany no ho tonga ary dia nantsoina indray hoe Antafita (Antananarivo Fitaterana) ireo fiara fitaterana ireo. Tsorina fa tsy tadidiko loatra intsony ny faharetan'ity koperativam-panjakana farany teto Antananarivo ity fa dia niserana navalon'ny tantara ihany koa ny momba azy taty aoriana. Tamin'izany fotoana izany tsy tsaroako mihitsy izany hoe polisy maka taratasin'ny fiara noho ny fandikan-dalàna izany. Tsy nisy maika handeha avokoa ny ankamaroan'ny fiara fitaterana tamin'izany fotoana izany na dia toa tsy naharaka ny isan'ny olona velively aza ny hamaroany rehefa firavan'ny mpiasa sy ny mpianatra indrindra. Mitokozihitra tsy mety handeha fa miandry ho feno kosa anefa ry zareo rehefa antenantenam-potoana. Nijaly tokoa ny olona niandry ny sitrapon'ireo fiara fitaterana ireo tsy maika velively.

 
Ny Papango 
 
Nisy ny vondron'olona nahita ny lesoka ka fiara somary madinika (504 sy 4O4 familiale na berline) no nanambatra mpandeha maromaro ka nanokatra saran-dalana vaovao avo noho ny fiara fitateram-bahoaka nefa nahafa-po ny olona noho ny hafainganany. Nisy vitsivitsy ny anaran'ireo fiara fitaterana vaovao tsy nanara-dalàna ireo ka misy ny manonona azy ho "taxi collectif" ary misy koa ny milaza azy ho "papango". Tery dia tery ny toerana nefa naleon'izay maika hody nihafy tamin'izany toy izay ho tratra alina. Niitatra tsikelikely na nihalehibe kokoa ny papango, ka ireo fiara marika japoney hatrano no maro nisafidy hanao ilay zotra vaovao. Tsy miandry na mijanona ela eny amin'ny fiantsonana ireo fiara ireo fa mameno dia lasa, teraka ho "buxi" indray ny fiantso azy tamin'izany fotoana izany. Tamin'izany fotoana izany dia ny mercedes 307 sy ny mazda na ny toyota no maro tamin'ireny zotra mandeha haingana kokoa ireny.
 
 
Ny nampiavaka ny 119 

Tao anatin'izany no nifaninanan'ny Mazda/Toyota tamin'ny mercedes 307 tao amin'ny zotra Ainga vao II (119). Raha somary niandry na nameno olona kokoa ny mercedes ka somary nitarazoka an-dalana, dia tsy niandry kosa ny mazda na dia tsy feno aza. Tsikaritry ny olona vetivety izay fomban'ny Mazda/Toyota izay ka naleon'ny maro niandry azy ireny toy izay hikafiry mercedes satria matetika no voasongona an-dalana ireo marika alemana. Faramparany dia tsy nisy mpandeha intsony, na tsy nety nandeha tamin'ny mercedes intsony ny mpandeha fa dia nionona tamin'ny Mazda/Toyota ny olona. Nisintaka tsikelikely tamin'ny zotra ainga vao II ny mpanana mercedes nifindra ho zotra hafa, hany ka nampiavaka ny zotra 119 ankehitriny ny tsy fisian'ny fiara ankoatra ny mazda sy toyota ary hyundai izay olona 18 eo ho eo ihany no zakan'ny fiara iray. Raha ny hafainganan'ny zotra angamba tsy nisy tahaka ny 119 ka tsy mila halalinina lavitra loatra intsony ny antony hifidianana azy ho zotra filamatra.


Izay mahatadidy dia hahatsiaro fa tetikasa efa niomanana hatramin'ny fampielezan-kevitra na fotoana fohy monja taorian'ny fifidianana ben'ny tanàna farany teo ity tetikasa heverina ho avy tsy ho ela iarahana amin'ny faritra iray any Frantsa miaraka akaiky amin'ny mpitantana ny eto Antananarivo amin'izao fotoana izao ity. Maro amin'ny olona mpandeha 119 no tsy resy lahatra loatra amin'ny fanovana ho lehibebe kokoa ny fiara fandehanan'izy ireo, satria manahy ny mpandeha fandrao hampitarazoka ny halakin'ny zotra ny fidiran'ireo lazaina fa fiara vaovao ireto, na ho tsikaritra avy hatrany fa homena tombondahiny aza izy ireto amin'ny fikarakarana manokana ny toeram-piantsonana. Anjaran'ny tompon'andraikitra ny mamaly na manome toky ny mpandeha ny amin'izay. Tsikaritra ho tsy mitodika loatra amin'ny tombotsoan'ny mpandeha manko ny fikasan'ny mpitantana an'Antananarivo.

 
Ny tsikaritra 
 
Voalohany, toa terena hosoloina ireo fiara efa niasa, raha ny vakiako avy amin'ny bolongan'ny tanàna ato. Hoy manko ny voasoratra mazava ato hoe:

Ny fanatsarana sy fanavaozana atao:

Foto-drafitr’asa momba ny fifamoivoizana (lalana, toeram-piantsoana),
Fanoloana ireo fiara fitaterana no ho voakasika.

Tsy mamorona velively aho eo fa io aloha no voasoratra nataoko dika sy petaka hovakianareo. Karazana tsy femelana hisian'ny fifaninana raha ny fahazoako io soratra io aloha, ary tsy mandehandeha foana ny soratra tahaka ireny. Mahavariana moa fa izaho angamba no tsy mahazo resaka tsara fa hitanareo tsara io hoe: "Samy hahazo tombony amin’ity tetikasa ity avokoa ireo ankoatra ny mpandeha." Tena fanaovana tsinontsinona ny mpandeha mihitsy raha ny famakiako azy fa asa ny hevitrareo...enga anie tsy hiova tampoka ny lahatsoratra.


Faharoa, mampiahiahy ihany koa ny lahatsoratra hafa avy amin'ny bolongan'ny kaominina Antananarivo renivohitra, mikasika ity resaka 119 ity ihany. Ary ny mahatalanjona ahy moa dia misongadina tsara ao anaty lahatsoratra ireo tsikeraiko. Hita mazava ao manko fa andrasana avy amin'ity famoronana sy fandrafetana ny endriky ny tanàna vaovao ity :

ny fanatsarana ny tanàna an’Antananarivo ;
ny fahafaham-po sy ny fitandroana ny ain’ny mpandeha ;
ny fandanjalanjana ny hafainganam-pandehin’ny fiara mpitatitra sy ny fihatsaran’ny fidiram-bolan’ireo mpandraharahan’ny sehatry ny fitaterana.


Fanorenana vaovao tokoa ve moa tsy ho endrika fanatsarana ny tanànan'Antananarivo izany. Voasoratra eto moa ny hoe fahafaham-po sy fitandroana ny ain'ny mpandeha, mampiavaka ny zotra 119 ny fandehanana mafy sy ny fisongosongonana eny an-dalana fa tsy milalao an-dalana izany. Raha any amin'ny zotra hafa no mety himenomenona amin'ny fandehanana haingana loatra, fa tsy amin'ny 119 kosa; ny ho tonga haingana ihany no fantatry ny mpandeha raha manandrana mandeha aminy ianao amin'ny ora fidirana indrindra indrindra. Mipetraka tsara eo ihany koa io ny hoe lanjalanjaina ny hafainganam-pandeha, io indrindra no mampanahy fa sao dia higorerarera no tena katsahin'ny mpitantana an'Antananarivo fa tsy ny hampisosa tsara ny fifamoivoizana. 


Tsaroako fony izaho andalo tany Chili fa tsy misy mahay mandeha mora ny fiara any fa maika dia maika avokoa na dia afovoan-tanàna aza, saingy miasa tsara kosa ny jiro telo soratra. Rehefa anjaran'ny fiara no mandeha dia diso avy hatrany ny mpandeha an-tongotra raha mbola mitady hisosososo hidina ny arabe hatrany ianao; maka tsoa-kevitra fotsiny tamin'izay hitako nahita izany fa tsy mahazo rariny ny mpandeha an-tongotra raha voadonan'ny fiara amin'izany. Rehefa anjaran'ny mpandeha an-tongotra indray ny miampita dia tsy misy mahazo mihetsika ny fiara, eny fa na dia tsy misy olona miampita intsony aza raha mbola tsy mivadika maitso ny loko. Mety ihany izany hoy aho anankampo fa tsy hoe omena rariny hatrany ny mpandeha an-tongotra na dia manao fanahy iniana aza indraindray. Voasoritra mazava moa ny toerana fiampitana amin'izany, ary tokony hisy fanatsarana ny lalàna ihany koa angamba.


Ny tahaka ny kisendrasendra, tamin'ity raharaha ity dia ny fampitandremana nataon'ny tompon'andraikitry ny mpitandro ny filaminana misahana ny fifamoivoizana fa horoahina avy hatrany izay polisy tratra manao kolikoly ary voasazy miaraka aminy ny saofera. Ao ambadik'izany eo anatrehan'ny olona dia hoe tsy azonareo polisy kitikitihina na tairina handeha ireo fiaranay ireo fa aleo hanao ny sitrapony na hijanona adiny iray eo amin'ny fiatoana aza. Kinga dia kinga amin'ny fakana taratasy manko ireto polisy ireto, na dia 10 segondra monja aza no ijanonan'ilay fiara eo amin'ny fiatoana iray ary mbola tsy tafavoaka ny fiara akory ny mpandeha hiala. Nahita izany matetika ny tena matoa mahasahy manoratra etoana. Te-hitango vola manko ry zalahy amin'iny fotoana iny. Eto kosa indray, toa hahazo alalana hanao "dona miala" na hoe tsy miainga ny fiara iray tsy feno raha tsy tonga ny fiara faharoa hameno eo amin'io toerana io ihany.

 
Tsoa-kevitra 
 
Eo no mahatonga ahy hiteny fa raha tsy mitandrina ny mpitantana dia avy amin'io fanovana amin'ny alalan'ny 119 io no hipoiran'ny fahatezeran'ny olona voalohany ka hiitatra amin-javatra hafa. Tsy tian'ny mpandeha 119 ny mirerarera ka raha vao mitady hanao izany ireo fiara vaovao dia mety hiteraka fifamaliana amin'ny olona. Manaraka izany, nisy ihany ny niteny fa tsy an'ny Kaominina velively ireo fiara ireo fa hovidian'ny olo-tsotra, saingy mety tsy hahalala izany ny olona ka raha avy ny sanatria dia ireo fiara vaovao ireo no ho lasibatra voalohany, aza misy anie izany. Nahoana no tsy zotra hafa tsy maharaka toy ny 115 mampitohy an'i 67ha Mandroseza no hanaovana fanandramana azy ity sa lavitra loatra ka mety hahafaty antoka? toa ny fidiram-bolan’ny mpandraharahan’ny sehatry ny fitaterana no tena tsinjovina raha ny voasoratra no asongadina... nefa dia hiaraha-mahita eo ihany moa ny tohiny.


Jentilisa, 15 septambra 2010 amin'ny 01:08


Na mihinana aza mbola ho noana!

2010-09-02 @ 22:26 in Andavanandro

Lohateny nalaina avy tamin'ny tononkiran'ny mpihira malagasy iray namerimberina fa: "izay manao ny marina na lavo aza mbola ho tafarina fa izay manaonao foana, na mihinana aza mbola ho noana". Resaka hanina indray aloha ka! Tena hafa mihitsy ho'aho isika Malagasy fa tsy mba mikorapadrapa-poana izany. Maka milamina hatrany satria iaraha-mizaka ny fisondrotry ny vidin'entana ary lazain'ny gazety fa tratran'izany amin'izao fotoana izao ny vidin'ny lafarinina sy ny vary. 


Re manko fa raikitra ny rotaka tao ampita andrefana tao raha nokasaina ny hanondrotana ny vidin'ny mofo, ankoatra ny fisondrotry ny vidin-jiro sy rano io ny androtry ny fanapahana hampanakery ny fanondrotana. Tsy voalohany moa io rotaka io fa fanindroany izay raha araka ny voalazan'ireo olo-tsotra mpitati-baovao avy any an-toerana. Ny nahavariana dia ny fomba nitateran'ny Haino Aman-Jery malaza sy fanaraky ny Malagasy maro azy, notaterin'ny namana iray atsy ambadika atsy. Efa misy samihafa sahady manko ny voalazan'ireo loharanom-baovao roa ireo. Ny voalohany manambara fa tsy nihetsika ny vidin'ny mofo efa roa taona izao fa ny fifampiantsoana tamin'ny alalan'ny finday sy ny serasera no tena nahafaingana ny hetsika sy ny rotaka. Ny faharoa kosa nanambara fa tsy mitsahatra ny misondrotra ny vidim-piainana ka tsy tantin'ny olona intsony no nahatonga ny rotaka. Izay ilay samy manana ny fijeriny fa anjaran'ny tsirairay no mamakafaka sy mandanjalanja. Ny tahaka izao ihany koa no tsy mahasasatra anay hitatitra mandrakariva izay tsikaritray. Ny somary nahavariana tamin'ilay notantarain'ny namana dia ny fitakiana hamerenana ny mpitondra teo aloha mpanelanelana ny raharaham-pirenentsika hamaha io olana any aminy io.


Hafa tanteraka kosa ny eto an-toerana, satria tsy tafiditra amin'ny fanapahan-kevitry ny governemanta loatra ny fanondrotana vidin'entana afa-tsy izay sahanin'ny fanjakana ihany angaha (toy ilay vidin-tsolika nahafahan'ny mpandraharahan'ny solika nividy ny vola vahiny amin'ny 2000ar ny dôlara iray raha tokony ho efa 2200ar izany nialoha ny fifanarahana tamin'ny fitondrana?). Noho izany angamba no tsy mahataitra ny Malagasy loatra hikorontana fa hiasa mafimafy kokoa angaha hahazoana vola bebe kokoa, nefa asa toy ny inona? Saingy hendry na ny mpanao mofo na ny olona satria lasa tsy ampy anjaran'olona iray izany mofo dipaina iray manontolo izany satria tsy nisondrotra ny vidiny, ary ny olona tsotra kosa mitady zavatra hafa asolo azy dia ny paty indrindra indrindra... hehehe... fa vita amin'ny inona moa ny mofo dipaina ary vita amin'ny inona kosa ny paty fihinana? Soa ihany aloha fa ny vidin'ny vary sy ny lafarinina ihany no miakatra fa tsy ireo e!...hehehe... ahitsio aho raha diso fa tena diso mihitsy.


Fa tsikaritro tokoa aloha fa nitombo ny mpivarotra hani-masaka mandehandeha ka ny miavaka indrindra amin'izany dia ireo mpivarotra paty efa masaka, ampiarahany amin'ny karazan-kanina samihafa izy ireny ka misy ny mampiaraka azy amin'ny atodiakoho, na karaoty sy ovy, na izay mety atao ho karazana laoka samihafa e! fa mora aloha ny vidiny sady samy manana ny azy rahateo, tsy miresaka ny fahatakaran'ny sarambamben'ny olona izany vidiny izany loatra aho satria azoko heverina fa ny vidin-tsakafo masaka no isan'ny mora indrindra manerana ny tsena fa tsy azo atao kosa ny mieritreritra ny fahadiovany. Amin'ny ankapobeny moa dia tahaka ny anaty koveta anaty sobika na anaty fitehirizan-kani-masaka anaty harona no fanaovan'ny mpivarotra ireny hanina ireny. Na izany aza lasa saina ihany aho indraindray ka manao hoe tena mahasolo ny vary tokoa ve ny paty feno manerana ny tanàna? Dinihina toa karazany aty Madagasikara indray no nanaraka ny torohevitry ny solontenam-panjakana ao ampita andrefana fa tsy vomanga sy saonjo mbamin'ny mangahazo no nampifanoloana fa zavatra vita amin'ny lafarinina ihany no asolo zavatra vita amin'ny lafarinina.



Jentilisa, Antananarivo 3 septambra 2010 amin'ny 00:26
 
 

Voakarama hanendaka? sa hanakorontana?

2010-09-01 @ 22:24 in Andavanandro

Efa somary lavalava ihany ny lahatsoratra nosaratako saika havoaka no najanona satria nisy tranga be ifandraisana aminy nefa tsy mety atsofoka eny an-tsefatsefany eny intsony. Lahatsoratra vaovao noho izany no natao satria miova ny fomba hamoahana ny hevitra na lohahevitra mitovy ihany aza no lazaina. 


Dia nisy, hono satria olona no niteny tamiko, haino amanjery iray sa vitsivitsy, nahenoana fa misy amin'izao fotoana izao bandin'i Manjakaray, 67ha (Ankasina), Andavamamba ary faritra hafa karamaina hanendaka sy hangalatra ary handroba, mba entina hanaporofoana fa tsy milamina ny tany... na tsy lazaina aza dia fantatra ny tian-ko lazaina ho manakarama satria isan'andro isan'andro ny fanasoketana ny anarany amin'ny haino aman-jery ary ny gazety mpivoaka eto Madagasikara, ary izaho naheno ilay vaovao indray manana anarana radio ao an-tsaina avy hatrany raha vaovao tahaka izany no mivoaka, saingy tsy afa-mitompo teny aho satria tsy naheno ilay vaovao mivantana... nefa kosa ambara fa tsy olona iray na roa no nilaza io "vaovao" io tamiko. Nihomehy anaty ihany aho satria karazam-baovao fampihorohoroana toy izany hatrany no nitaizana ny vahoaka efa nihoatra ny taonjato iray sahady izay. Ny talohan'izany moa tsy fantatra loatra fa ilàna mpandalina tantara manokana angaha.


Nalaza nandritra ny fotoana nahatongavan'ny vazaha maro teto Imerina, nialoha kely sy teo ampiandohan'ny vanim-potoanan'ny Fanjanahantany ny resaka mpaka fo. Heverina ho ny vazaha no tena maro amin'ireo mpaka fo ireo ary nisy koa ny fikambanana framasao no voasoketa amin'io tsaho io. Nisy fiantraikany tamin'ireo sarambaben'ny olona any ambanivohitra rehetra any tokoa ny lazan'io mpaka fo io ka raha mahita vazaha ny ankizy sy ny badobado dia mandositra avy hatrany. Ilay fomba fiteny ankolaka fa manao izay hanintonana ny fon'ny olona no nivadika ho zavatra mivantana ho mpaka fo hohanin'ny vazaha ohatra. Dia tsy nisy intsony ny olona sahy nivoaboaka tamin'ny alina satria ankoatra ny mety hifanenana amin'ny mpamosavy dia misy koa ny mpakafo izay mety hangalarany ny fon'ny olona mifanena aminy. Vokany, nandry fehizay ny tany rehefa amin'ny alina satria tsy re loatra ny fisiana halatra. Ny toy io angamba no iray amin'ny antony nampalaza ny taloha ho tsy nahenoana loatra izany hoe hala-botry izany... Mifanindran-dalana amin'izany tsaho toa tsy nampiraika ny vazaha mihitsy ny hanitsy azy izany dia napetraka ny lalàna fa tsy misy olona mahazo mipetra-drery any ankodahoda any fa tsy maintsy any an-tanàna avokoa no manorin-trano, fomba tsotra entina hanaraha-maso sy hifehezana ny olona moa io lalàna io. Marihina fa na amin'izao fotoana izao aza dia mbola malaza io resaka mpaka fo io any amin'ny sarambaben'ny olona sasany any miampy ny lazan'ny mpangalatra taova malaza manerantany ihany koa moa izy io na dia tsy henon'ny saranga antonony sy sarangan'ny mpanankarena an-tanandehibe loatra intsony aza.


Nandritra ny faramparan'ny fanjanahantany sy ny repoblika voalohany indray, tsy dia mahafantatra izay mety ho zava-nalaza ho nampatahotra ny olona loatra aho, na izaho no tsy manam-baovao loatra momba izay tsaho natahoran'ny olona. Ambarako mazava tsara aloha izay. Fa tsikaritro kosa, nisy gazety amin'ny teny malagasy sasantsasany, ary tsy miankina amin'antoko na amin'ny fiangonana, tia mamoaka ireo misitery isan-karazany ka tia manasongadina resaka matoatoa sy angatra mivezivezy manerana ny tanànan'Antananarivo amin'ny alina ary nambara ihany koa na tsy tadidiko loatra intsony tamin'ny namaky azy ireny ny ora fivoahan-dry zareo. Mamaky izany kosa aloha ny ankizy tena koditra mihitsy, raha ny fiantraikany amin'ny olon-dehibe indray tsy dia nandrenesana akony loatra ary anisan'ny manahirana ny mamantatra azy amin'ity Malagasy tsy tia namoaka loatra ny heviny ity. Fa mbola nanana ny lazany ihany fa tsy nisy nangalatra tamin'izany fotoana izany, raha ny an-tanan-dehibe no resahina, izany lamba nahahy teny an-davarangana izany. Izany hoe raha nitodika indray aho dia karazam-baovao entina hampipirina ny olona any an-tranony ihany koa ny karazan-gazety tahaka itony ary manahy aza aho fa ny fanjakana mihitsy no nanakarama azy ireny hampilamina hatrany ny tany sy ny firenena. Na nangina aza ny tanàna dia tsy natahorana loatra izany hoe mpanendaka izany, ary tsy nandrenesana loatra ny momba izany raha an-tanan-dehibe. Tsy fantatro kosa anefa raha efa fiteny tamin'izany fotoana izany na tsia ny hoe mpanakan-dalana.


Niova kosa ny toe-draharaha rehefa niditra ny Repoblika faharoa. Noho ny karazana korontana naharitra nandritra ny tetezamita nitondran-dRamanantsoa Gabriel kosa dia simba tsikelikely nanaraka izany ny soatoavina nampanjakan'ny Malagasy izany hoe fandriampahalemana sy fihavanana. Nalaza ny resaka madinika ary izay tsy manaja ny madinika dia mpanoha-riana sy kapitalista. Nanomboka nanao izay tiany atao amin'izay ny madinika. Nisy ny olona navondrona ho ao amin'izany Tary Tonga Saina izany hampivoarana ireo avy amin'ny sarangam-bahoaka mahantra saingy nisy nanodina ny sain'ireo Tary Tonga Saina ireo ho lasa fitaovam-pamoretana sy fiarovana ny sezan'ny mpitondra ka noadinoina tsikelikely ny manjò ny vahoaka. Ireo no fitaovana nentina nampihorohoroana sy nampanafihana ireo mpanankarena mety ho nanelingelina fitazonana ny fitondrana. Ireo no nalaza tamin'ny fanendahana sy ny fanafihana mitam-basy, ary tsy adinoina ihany koa fa naka tovovavy ankeriny ihany koa izy ireo ary nosafidiany mihitsy ireo vehivavy nalainy an-keriny sy niterahany ireo ho kazaran'ny valin'asany tamin'ny fitondrana tamin'izany fotoana izany. Niova tanteraka ny zava-nitranga satria tsy nanana tahotra intsony ny mpangalatra fa ny olo-tsotra kosa niaina tao anaty tahotra. Mazava loatra fa fady izany mandeha alina izay tsy dia nahazatra ny olona loatra eto an-drenivohitra moa (marihina fa tsy miresaka ny any amorontsiraka mihitsy aho eto). Nisinisy ny toerana malaza ho misy mpanendaka izay fady ny mandeha aminy amin'ny andro alina. Fa tsy nanana henatra ihany koa ireo jiolahy ireo na dia amin'ny andro atoandro aza, mivondrona ary manana paika entina hanakiviana ny olona izay tsy mety miray hina ihany koa moa raha eny an-dalana no misy tratran'ny fanendahana.


Ankehitriny, mbola tsy mahazatra ny olona mihitsy izany mandehandeha na mihaona na manao zavatra amin'ny alina an-drenivohitra izany ankoatra ny zoma mahafinaritra eny Analakely sy ny Cabaret angaha saingy ho an'ny olona manana fiara moa izany no tena marina. Misy ihany ny fiarakaretsaka saingy noho ny antony dia tsy hivoaka na handeha any amin'ny toerana somary sisintsisin'ny tanàna mihitsy izy ireny, marihina anefa fa tsy mifankaiza loatra amin'ny saran-dalana amin'ny atoandro izany saran-dalan'ny fiarakaretsaka amin'ny alina izany. Mirongatra dia mirongatra tokoa ny mpangalatra sy ny mpanafika any an-trano ary fitaovam-piadian'ny mpitandro ny filaminana ihany no ampiasain'ireny jiolahy ireny. Malaza moa fa ampanofaina ireny fitaovam-piadiana ireny, noho izany tsy zavatra kelikely no halain'ny mpangalatra fa tsy maintsy maka tombony amin'ny zavatra ataony izy. Vokany, tsy vitan'ny hoe eny an-dalana ihany no mety anamparan'ny jiolahy ny heriny fa na dia any an-trano aza dia tafihiny, ary na dia toerana misy zandary aza dia tsy mampihemotra an-dry zalahy. Very fanahy mbola velona ny vahoaka izay tsy manana fitaovam-piadiana raitra tahaka ny jiolahy. Vokany, mipirina rehefa misy toe-javatra manahirana ka mionona rehefa tsy ny tena aloha no tafihina. Noho izay toe-javatra tsy voafehy izay intsony angamba no mahatonga ny sasany hanasoketa olona fa manakarama bandy avy any amin'ny faritra mafana eto an-drenivohitra hanendaka sy handroba, fa mila karamaina ve ny mpangalatra (?), entina ilazana fa tsy milamina ny tany ary tsy mahafehy ny filaminana ny tompon'andraikitra. izaho kosa moa mieritreritra fa matoa tafahoatra tahaka izao ny fanafihana mitam-piadiana dia ao amin'ny mpiandraikitra ny famongorana ireny asa ratsy ireny mihitsy no fositra voalohany.


Rehefa namaky ilay lahatsoratra indray aho dia tsy afa-po tamin'izay voasoratra satria tsy izay nokasaiko hosoratana indray no voasoratra nefa efa vita ihany ilay izy dia navoaka ho anareo ihany aloha. Amin'ny manaraka angamba aho mamoaka izay tena tiako ahatongavana. 



Antananarivo 2 septambra 2010 amin'ny 00:22 (02/11/2010 @ 00:22)


An'i Dada ihany, hono, itony!

2010-08-25 @ 09:57 in Andavanandro

Hiresaka zava-misy andavanandro kely indray aloha aho. Misy Yaourt tsaratsara izany amidy eny am-pivarotana eny saingy somary lafolafo dia misy mitsatsaingoka avy eo: "An'i dada ihany ange, hono, itony fa mody novaina ny anarany e!". Misy glace ihany koa amidy manerana ny mpivarotra maro saingy hafa ny endriky ny tavy hametrahana azy sady ahatsiarovana ihany koa ny tsiron'ny an'ny tiko fahiny, dia lasa indray ny resaka hoe: "An'ny dada koa, hono, itony fa tsy maintsy novaina ny anarany". Nihomehy anaty ihany aho mahita izany fomba firesaka izany satria rehefa tsaratsara tsiro ny vokatra dia lazaina fa an'i dada izy io fa novaina anarana.

Tranga efa elaela kokoa fa noadinoiko ny nanoratra azy fa variana tamin'ny tolona politika loatra ny tena. Feno dibera sy margarina avy any Afrika any, raha ny fonony no jerena, ny tsena. Maro ny mpivarotra no te-handafo dia nilaza hoe: "diberan'i dada itony fa tsy maintsy nosoloina ny fonony hahafahana mivarotra azy". Vao nanandrana anefa ny tena dia mangidy sira ilay izy... tsy ny dibera na ny margarinan'i dada ho'aho no mangidy tahaka izany... raha mijanona andro vitsy aoriana ilay izy dia tena tahaka ny fotaka avy eo ny tsirony ary tena mankandoa mihitsy. Izany hoe ny vokatr'i dada no hanaovana dokambarotra hahalafosana entana, satria manko malaza ho tsara ny vokatra avy amin'ilay "mpanao didy jadona" sy "mpangalatra tany" iny. Izany hoe raha nisy karazany kokoa angamba ny vokatr'i dada dia nohararaotina handafosana entana avokoa satria tsara ny zavatra novokariny. Tahaka ny hoe rehefa avy amin'i dada dia tsara ary mbola ankafizin'ny maro ny novokariny...

Voaozona ve ny malagasy raha ny vokatra malagasy tsara no potika ankehitriny? Soa fa nisy fotoana nianohana zavatra tsara tamin'ny vita malagasy fa raha tsy izany tsy mbola betsaka ny mahatsiaro azy mandrakariva.


Jentilisa 25 aogositra 2010 mitataovovonana
 
 
 
 
 

Fahadisoam-panatenana misesisesy

2010-06-12 @ 09:24 in Andavanandro

Miditra eo amin'ny fetiben'ny baolina fandaka ny eran'izao tontolo izao nanomboka androany 10 jona 2010. Hiara-hianoka izany avokoa ny rehetra, eo ambodin'ny fahitalavitra indray no handanian'ny ankamaroan'ny lehilahy ny fotoanany mandritra ny iray volana. Raha mandritra ny andro voalohany isian'ny lalao no mahazatra ny olona hahitana ireo lanonam-panokafana sy ny fihetsiketsehana isan-karazany dia androany (alakamisy) kosa no hanombohana izany fety isan-karazany izany ao Afrika Atsimo ao, rahampitso (zoma) anefa no hanombohan'ny lalao fanokafana. 

Marihina fa iniako soratana ny andro satria alina fanindroany misesy aho izao no tsy mahazo serasera mihitsy na ny bitika aza. Nanandrana nandefa ny solosaina indray aho tamin'ny atoandro ka nanandrana ny aterineto fa dia nandeha soa aman-tsara ilay izy. Ny atoandro anefa ny tena dia miasa any amin'ny orinasa ka tsy mampiasa loatra ny serasera ato an-trano. Nohararaotina ny namoahana ilay lahatsoratra nitaterako ny dia iray volana lasa izay. Ny alina no tena ilàna ny serasera saingy tsy misy na inona na inona azoko atao amin'izao fotoana anoratana izao. Noho izany, tsy afa-mitsara izay lahatsoratra tokony hivoaka ao amin'ny Global Voices Online aho ary tsy afa-manaraka ihany koa izay vaovao hafa tiana hovakiana hatraty an-trano. Fahasorenana tsy misy tahaka izany aloha fa dia toy ny hoe kamo angamba ny hiheveran'ny namana ahy rehefa tsy tafavoaka ny lahatsoratra tokony hivoaka na tokony handika lahatsoratra ho amin'ny teny malagasy ihany koa ny tena.

Hafahafa ihany ry zareo raha tsy afa-miserasera aho ny alina fa ny atoandro izay iseranako fotsiny indray no mandeha soa aman-tsara ilay aterineto. Resy lahatra tanteraka aho fa tsy avy aty amiko kosa angamba ny olana fa any amin'ny orinasa mpanolotra ny fahafahanay miserasera. Izaho kosa anefa tsy handeha ho any amin'ny cybercafe velively satria andoavam-bola ihany koa ity serasera an-trano ity ka efa voatokana ny vola hiseraserana. Tezitra aoka izany ny tena ka niantso ny laharan'ny sofin-davitra nomena hikarakara anay mpampiasa aterineto. Lany fotsiny ny telo minitra sy sasany amin'ilay feonkira famantarana azy iny vao nisy niteny fa mbola sahirana avokoa hoe ny mpiasa ka afaka kelikely indray miantso. Dikan'izany tsy izaho irery ihany no manana olana na tsy miraharaha mihitsy izay miasa alina ao amin'io orinasa io fa mety misy zavatra tiany atao ka ny aty aminay aty no analany vonkina tsy avelany miserasera. Na nahazo baiko mihitsy ity orinasa mpanolotra serasera ity hanakana ny fahafahan'ny olona rehetra mampiasa ny tolotra ataony ao anatin'ny andro (alina no marina kokoa) vitsivitsy. Ilay namana an-tserasera anankiray izay tsy mpitovy hevitra politika amiko matetika moa dia efa nanoratra tany amin'izy ireo mihitsy ka asa na efa nahazo fahafaham-po izay na tsia fa ny ahy dia izao mamoaka lahatsoratra izao no ataoko.

Saiky tsy hiraharaha loatra aho satria efa nametraka fotoana hijerena fahitalavitra hanaraka izany lanonam-panokafana mondial 2010 izany. Nandrasana ny tamin'ny tamin'ny enina ora hariva (18 ora) GMT na ny tamin'ny sivy ora alina (21 ora) eto Madagasikara mba handefa izany ny TVM kanjo moa ny fandraisan'ny filohan'ny FAT ireo Ambasadaoro no nataon'ny TVM ho rehareha tao... mbola vaovao an-tsary ihany hay. Hatezerana ny ahy nahita izany nefa faly indray aho fa tsy ho izaho irery no ho tezitra fa hiara-tezitra amiko avokoa ireo mpahara-baovao eto an-toerana ka mahalala io fotoana io na mpanohana izy na mpanohitra ny fitondrana. Dia notohizako ny eritreritro hoe tokony hataon'izy ireo tahaka izao hatrany isaky ny misy baolina ireny ka rehefa tapitra mihitsy ny vaovao an-tsary vao alefa ilay mivantana avy any Afrika Atsimo. Enga anie tsy ho sahy hanao izany ry zalahy ireto fa raha sahy... tsy haka lagy kosa angamba ny mpankafy fa mba manofa any amin'ireny mpampita azy ireny na mividy ireny tandrom-pandraisana (antenne) sahafabe mitentina 400 000 ariary ireny dia mahazo fahitalavitra an-jatony hojerena.

Fa dia inona loatra no anton'izao tahotra izao e? Tombatombana ihany no havoaka eto fa nisy ny gazety malagasy iray nanamarika fa nahazo fanasana hanatrika ny lanonam-panokafana ny filoha Ravalomanana Marc, koa ahiana dia ahiana ny hahitana azy mivantana amin'ny fahitalavitra ka aleo tsy alefa mihitsy ilay fandaharana fa mahadikidiky amin'ny olona. Dia faniriana miafina ao amiko indray ny hoe aleo hanatrika ny ankamaroan'ny lalao rehetra mihitsy ilay rangahy io dia ilay baolina mihitsy no tsy alefa. Ireny any amin'ny famaranana ireny indrindra no tena hanaovana izany fa dia asa fotsiny ny fanapatapahana ny mivantana dia mody lazaina avy eo fa tsy tonga teto Madagasikara ny sary avy any amin'ny zanabolana. Na izany na tsy izany aloha ny zava-misy dia sady tsy mahazo aterineto mihitsy aho no tsy hisy olona handray ahy hikarakara ny fahavoazako izao alina izao nefa mety handeha soa aman-tsara indray izy ny atoandro fa dia lasa lavitra ny fanahiana fandrao tena ny fahafahako miserasera mihitsy no sakanana tsy hahafahako mamoaka izay kasaiko ho hitan'ny besinimaro.


Jentilisa, Antananarivo 10 jona 2010 tamin'ny 22:44
 
 
Fanamarihana faramparany: Androany sabotsy maraina indray aho vao nahazo fiseraserana indray. Enga anie mba tsy ho marina ny ahiahiko hoe nosakanana amin'ny fmba ankolaka aho fa mba ho nisy fahavoazana tokoa nyhosinamitondra izany serasera izany ka izao vao tafaverina amin'ny laoniny izany serasera izany. Hatramin'ny alarobia mankamin'ny sabotsy izany dia tsy afa-niserasera loatra aho.

 

Miitatra eny amin ny fokontany ny fihoaram-pahefana

2010-03-14 @ 22:56 in Andavanandro

Tsy ny tsy mety izay ataon'ireo efa fandrentsika miteronterona eny amin'ny toerana avo no tiako tantaraina vetivety fa ireo eny amin'ny fototra kosa indray, izany hoe eny amin'ny fokontany sady eto an-drenivohitra mihitsy. Manjaka dia manjaka moa ny halatra tariby Jirama sy izay an'ny telma ka vaventiventy ankoatra izay mety ho halatra sy vakitrano isan-karazany any. Nisy aza moa fotoana fa nandrenesana poa-basy hatrany taty 67ha isan'alina ka nahatonga ny baiko hipetraka fa tsy maintsy mikatona ny Bar manomboka amin'ny sivy ora alina. Eo amin'ny halatra tariby moa efa nisy ny may teny ampangalarana tariby teny Soavina Atsimondrano teny. Dia avy ny sasany ka nanararaotra amin'ny lafiny fitiavana te-hahazo vola maika isam-bolana angaha.


Izaho dia miaina amin'ny fokontany iray amin'ny cité des 67ha. Ao anatin'ny fokontany iray dia misy quartiers maromaro na secteurs moa no filaza azy fahiny. Raha misy ny chef fokontany dia misy ihany koa ny chef quartier izay efa nofidiana taona maromaro lasa izay. Raha nisolo ny filohan'ny fokontany, tsy nosoloina kosa ny filohan'ny quartier. Taloha tany, rehefa be tamin'ny toerana fanariam-pako no nesorina fa navangongo tamina fanariam-pako somary lehibebe kokoa ny fako, dia nisy ny fifanarahana fa misy olona hanangona ny fako isan-tokantrano. Roanjato ariary ny fifanarahana voalohany fa efa dimanjato ariary izy amin'izao fotoana izao. Mitondra ny fako amin'ny boroety moa ireo olona azo atao hoe karamain'ny fokontany ireo. Dia misy ihany koa ny vola alaina hanadiovana ny tatatra isaky ny voalohan'ny taona, tsy dia lafo loatra ihany koa iny satria isan-taona ka tsy nampaninona ahy loatra fa ity tantaraiko manaraka ity no tsy aritro.


Indray mandeha, hono, tamin'ny faramparan'ny volana febroary 2010 iny... tena ataoko hono satria tsy nahare ny fisiany mihitsy aho... nisy fiantsoana fivoriana tampoka teto amin'ny quartier (singa ao anatin'ny fokontany fa tsy ny fokontany iray manontolo no lazaiko eto), tsy nisy na iray aza nanontaniako nahatadidy io fotoam-pivoriana io, eny fa na dia ireo nikarakara ilay fivoriana aza. Izao no natao: "Fivoriana izao dieny izao, ao amin'ny Tanimalalaka". Toerana efa fantatry ny rehetra izany fa ity no mahavariana. Tsy misy andraso andraso ilay fivoriana fa eo noho eo... tsy mifanaraka amin'ny hamehana anefa ny zavatra notapahina fa tetika hangalana na hitangosana vola ny tsirairay.


Resaka fandriampahalemana no anton'ny fivoriana. Nampanantsoin'ny tany ambonimboniny tany (atitany io) hoe ny filohan'ny quartier fa malaza dia malaza hoe izao halatra tariby Jirama eto 67ha izao ka nahazo fampitandremana ny fokontany, tokony hametraka na hanaitra ny olona hiambina isan'alina hoe. Izany hoe amin'ny atoandro miasa, amin'ny alina miambina, tsy misy ny fotoana atoriana ho an'ny lehilahy! Mazava loatra fa tsy misy ny hahavita izany ankoatra ny olona tanora na tsy misy atao loatra. Nilaza avy hatrany ny mpiteny fa efa misy tanora 26 vonona hanao izany fiambenana izany fa mba karakaraina kosa ry zareo; karazandrazany hoe karamaina izany. Natao avy hatrany ny tsanga-tanana raha manaiky ny handoa vola 3000ar isaky ny logement ny olona, ary dia zalahy vonona no nananga-tanana voalohany, miampy ny anabavy na sipan-dry zalahy, sy zaza tsy ampy taona maromaro teo, hoy ny afa-nanatrika. Raha nisy ny olona niteny fa tsy mety izany manapa-kevitra tampotampoka izany noho ny havitsian'ny olona tonga nefa idirana resa-bola dia kianina avy hatrany hoe ianao irery no tsy manaiky... izany hoe didin'ny tsy ampy taona sahady no iheverana azy nefa raharaha politika "visa A" no atao (polis=tanàna). Toy ny mpanoha-riana sy heverina ho fahavalom-bahoaka izany ireo izay mitady hiteny na hitsikera. Dia tapaka avy hatrany fa handoa 3000ar isam-bolana koa manomboka izao ny isaky ny logement.


Fa ity no mahatsikaiky : Efa fivoriana tampotampoka tsy nisy fampandrenesana mialoha izy ity, tsy nisy peta-drindrina tsy nisy megaphone ka kiririoka sy hoe mivory izao dieny izao no natao. Faharoa, tao anaty ora fiasan'ny mpiasa satria andavanandro no nanaovana ilay fivoriana, nokendrena mihitsy mba ho vitsy ny nanatrika fa ry zareo ihany no vavolombelona fa niarahan'ny besinimaro ny fanapahan-kevitra handoavana vola 3000ar isam-bolana. Fahatelo, ny fijerijerena ny taribin'ny Jirama ihany no asan-dry zalahy fa tsy misahana resaka halatra hafa izy... noho izany, tsy andraikitr'izy ireo raha misy ny vakitrano. Manaraka izany, tsy hisambotra ny mpangalatra izy ireo raha mahita fa ny mitsoka kiririoka ihany no ataony dia ny fokonolona no mandray adidy mifoha hisambotra ilay na ireo mpangalatra. Faramparany , angamba hatao mpiasa raikitra mihitsy izy ireo satria hoe handoavana fiantohana ihany koa ry zalahy. Ny tena nahasorena ny tena moa dia ry zalahy mieboebo amin'ny akanjo laoranjy avokoa, miseho ho tompontanàna irery, rehefa nitaky ny fandoa isam-bolana voalohany. Fanomezana asa ny TGV eto amin'ny tanàna izany izy ity nefa ny fokonolona iray manontolo no terena handoa ny karamany. Ahiako tsy hisy velively anefa ny tatitra ara-bola amin'izy ity.


Ny teto amin'ny quartier misy anay aza moa azoazo ihany izany tantaraiko izany ao anatin'izao tsy fanarahan-dalàna manjaka izao fa misy ny fokontany toy ny eny Andavamamba, misy olona mitaky vola 5000ar tampoka any an-tranonao satria tsy tonga nivory ianao. Ary natetitetika ilay fitakiana, ilay olona niresaka anefa tsy mahalala ny fisian'ilay fivoriana mihitsy na dia tsy niala teo amin'ny fokontany mihitsy aza noho ny hasembanana mahazo azy. Ny eto amin'ny misy ahy no fantatro koa asa re hanao ahoana ny any an-kafa any?



Jentilisa, alatsinainy 15 mars 2010 amin'ny 00:55 maraina



Samy vehivavy sy mandeha ny sivana

2010-03-09 @ 00:06 in Andavanandro

Andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy tokoa ny andron'ny alatsinainy 8 marsa 2010. Tsaroana tokoa fa tsy nisy loatra ny fotoana nahafahana nankalaza azy ity tamin'ny herintaona noho ny toe-draharaha tao anatin'ny hafanana politika indrindra. Efa niseho tamin'ny fikomiany manko ny miaramilan'ny Capsat tamin'izany fotoana izany. Fa toe-javatra hafa kosa no niseho tamin'ity taona ity fa dia nomarihina manokana tokoa ilay andron'ny 8 marsa.

Samy nankalaza ny andron'ny vehivavy amin'izay heveriny ho mety ny vehivavy, samy nanomana mangina ihany koa noho izany ny mpandray anjara rehetra na avy aiza na avy aiza, na ny ankolafy avy aiza na avy aiza. Eto no ahatsapan'ny mpanoratra fa toa tafavoaka tao anatin'ny hafanan'ny tolona izy fa difotry ny asa fanaony isan'andro. Tsy nahamarika, na tsy naheno loatra ny mpanoratra fa mety ho variana fa hay nanomana fambolen-kazo indray ny vehivavy mpandala ny ara-dalàna tamin'io andro io. Ny hitany kosa dia ny fiomanana teo amin'ny kianjan'ny Malacam hatry ny andron'ny zoma.


Kianjan'ny Malacam

Teo amin'ny kianjan'ny Malacam no nanomanan'ny eo amin'ny fitondrana ny Andron'ny vehivavy. Ny zoma maraina dia efa nitsidika ny toerana ireo nampiandraiketina hikarakara ny toerana. Tamin'io andro io dia efa notaterina tsikelikely ny fitaovana sy ny fanaka rehetra ho amin'izany. Nanomboka teo ihany koa dia noravahana fefy gony fotsy mangatsakatsaka ny sisin'ny kianja rehetra sy ny manoloana ny fidirana (tsy mbola ilay vavahady fa fidirana amin'ilay tsena izay nofoanana aloha nanomboka io andro io) hizotra mankany amin'io kianja io. Nasiana jiro be mampahajambena maso mihitsy moa io malaza ho "couloir de la mort" io hany ka mazava dia mazava aoka izany ny lalan-tongotra eo raha mitsapatsapa lalana no mahazatra ny mpandalo eo.


Teo amin'ny fikarakarana dia nandalo teo avokoa na mpiasan'ny kaominina, na mpiandraikitra ny prezidansa FAT, na ny mpamonjy voina (trano may) hanadio ny toerana ary indrindra indrindra ny miaramila izay nisahana sahady ny fiambenana ilay toerana. Tsy nahazo nivarotra intsony ireo mpivarotra teo amin'ity tsenakely ity, nanomboka ny alahady indrindra indrindra. Tsy nisy intsony koa noho izany ny lalao baolina lavalava izay fahita amin'ity toerana ity rehefa faran'ny herinandro. Mazava ho azy raha mety ho liana hijery ny fety hitranga ao ny manodidina mahita ilay fihetsiketsehana rehetra teo am-piomanana.


Rehefa tonga ny andro lehibe dia vory ihany ny olona fa tsy tena betsaka, petsa dia petsa ny sisin'ny kianja, izany hoe izay tsy nisy bozaka ary namotaka aoka izany. Vao nisy orana indrindra manko ny folakandron'ny alahady ka tsy maina intsony izany rehefa tonga ny alatsinainy. Vory lanona avokoa ny solontenan'ny vehivavy avy any amin'ny faritra rehetra, samy nanomana ho amin'ny fanamiana hanaovana filaharana ao anatin'ny kianja ihany. Filaharana izany no tena nanamarika ny tontolo andro marainan'ny Malacam, ka teo ny avy any amin'ny isam-paritra, nisy ihany koa anefa ny solontenan'ny antoko politika nilahatra ary tsy diso anjara ny vady miaramila.


Mba mihira ihany ny mpanakanto fa toa tsy dia noraharahian'ny mpampita mivantana izany. Angamba ny tena tanjona dia ny hanasohasoana ireo vehivavy mpitondra sy ny vadin'ny mpitondra amin'izao fotoana izao. Tsy ny teny amin'ny sehatra loatra manko no narahina fa tany amin'izay nandehanan-dramatoa vadin'ny filohan'ny FAT. Nisy aza moa notapahina na naato ny hiran'ny mpanakanto fa ny tenina vehivavy manazava ny fahandroan-tsakafo amin'ny alalan'ny vilany-sahafabe maka ny tara-masoandro no natao. Ramatoa kosa tsy dia niteny na nampiresaka, na nihaino izay mety holazain'ny mpitana ny tranoheva fa dia miaraba sy miserana fotsiny, fomba fifanajana e!


Notapahina ny lalana

Ny tsy nampoizina tamin'ity teny amin'ny kianjan'ny Malacam ity dia ny fanapahana ny lalana manomboka eo amin'ny fivilian-dalana mankany amin'ny rond-point Antanimena manoloana an'i sekoly Sully teo aloha (toa tsy sekoly intsony izy io manko) ka ny fiara rehetra avy any Behoririka dia avily mankany amin'iny manoloana ny NIAG izany hoe ny manoloana iny Ultima media iny; mihodina amin'ny rond-point vao mivily mankany amin'ny lalana anoloan'ny falda na impimerie catholique, na mandeha mandalo amin'ilay manoloana ny CEG Antanimena sy ny sekoly Saint François Xavier iny.


Taoriana tokony ho atsasak'adiny taorian'ny nanapahana ny avy any Behoririka io dia notapahina koa ny lalana avy aty Antanimena ho any Soarano na Behoririka. Tsy maintsy nivily mizotra mankany amin'ny edisiona takariva taloha iny na ny manaraka azy ny fiara rehetra fa tsy mahazo manitsy amin'ny arabe mahazatra. Dia eo amin'ny fakana solika (Shell io raha tsy diso aho) indray vao mipoitra ny fiara rehetra. Tsy nisy nanampo loatra io fanapahan-dalana io ny ankamaroan'ny mpandeha fiara hany ka nitohana izaitsizy ny lalana. Raha nanomboka tamin'ny valo ora maraina izany fanapahan-dalana izany dia tsy naverina tamin'ny laoniny raha tsy tamin'ny 12 ora sy sasany tany ho any, izany hoe efa lasa antsasak'adiny ireo manampahefana rehetra.


Magro mankany Ambatomanga

Efa notsoriko fa na izaho izay manoratra aza dia tsy nahalala akory ity fiomanana iray hafa ity hany ka talanjoona raha nahita ny fahavorian'ny olona, indrindra fa ny vehivavy, tamin'ny alalan'ny sary hita an-tserasera ihany. Tonga tany am-piasana maraina no nanontanian'ny olona hoe angaha tsy nandeha nankany Ambatomanga vao gaga hoe hay ve nisy izany fambolen-kazo niarahan'ny vehivavy izany. Tsy kely ihany koa ny fiomanana tamin'ity satria fiara sy fiarabe ampolony maro no nitanjozotra namonjy ny toerana nokasaina hanaovana izany. Mazava ho azy fa tsy maintsy nofaina avokoa ireo fiara fitaterana rehetra ireo.


Zavatra iray voamarika dia ny fahavonon'ny olona nandeha, nisy aza moa ny fivarotana teto an-tanàna no nikatona fa nandeha tamin'io fambolen-kazo io ry zareo. Amin'ny andro "tsotra" izany hoe rehefa eo amin'ny magro anefa dia tsy mandeha eny loatra ry zareo. Midika izany fa misy hatrany ny olona no miandry toe-javatra fotsiny dia tsy ampoizina ny ho fihetsehan'ny olona. Na dia noheverina ho fiarahan'ny ankolafy telo aza moa ny fotoana dia nanjakazaka aoka izany ny ankolafy Ravalomanana. Misy anefa ireo vehivavy no tsy mazoto loatra amin'izany fiarahan'ankolafy telo izany ka nijanona tany an-tokatranony ihany. Mahery fo tokoa ny vehivavy!


Samy niomana fatratra tamin'ny fanamarihana ity andro ity izany ny ankamaroan'ny vehivavy teto Antananarivo, tao ny nanao filaharana tanaty kianja ho fanehoana ny mahafety ny andro; tao ihany koa ny nanokana azy ho andro hanasoavana ny tanindrazana sady adidy eo amin'ny firenena rahateo izany.


Sivana tampoka

Araka ny voamariky ny eto an-drenivohitra dia tapaka tampoka ny radio fahazavana nanomboka tamin'ny 11 ora atoandro teo, rehefa handeha iny ny vaovao tapatapany. Ny ao amin'ny serasera mpandray antso no nilaza fa noho ny resaka fahatapahan'ny herinaratra no nahatonga io fahatapahana io ka tsy ho voaverina amin'io andron'ny 8 marsa io ny fandaharana raha ny fijery azy. Rehefa tsy azo teo amin'ny fanapahana ny onjam-peo mivantana izany ny radio dia tany amin'ny herinaratra indray no namelezana azy. Dia nangina tokoany tontolo aloha.


Ny nahatalanjona ny maro ihany koa dia ny tsy nanipazan'ny MaTV hany mampita izay vaovaon'ny Ankolafy telo amin'izao fotoana na dia indraim-bava aza ny fambolen-kazo natao tany Ambatomanga iny. Manahy dia manahy aho fa mety ho toy izany ihany koa no hitranga amin'ny gazety an-tsoratra raha izay zava-misy tamin'ity herinandro ity izay no jerena. Tsy hisy na dia gazety iray aza ve hitatitra ny fambolen-kazo teny Ambatomanga, izany hoe hampiseho ny hamaroana na havitsian'ny olona nandeha? Betsaka ihany manko ireo nolazaina ho mpanao gazety, sady nahazo fiara manokana izy ireo, no nandeha fa ny eo amin'ny fitateram-baovao sisa no hojerena izay hataony. Satria manko mety ho herinandro mangotraka ity herinandro ity dia ezahina ny hampangina izay mety hahazo hery hanozongozona ny fitondrana hmpifanaritaka ny tolona. Tsy dia ho voan'izany loatra anefa ny mpitolona raha jerena izay nitranga ny alatsinainy izay. Miatrika ady mangatsiaka faran'izay mamifirify indray ny eto an-toerana fa asa aloha raha tsapan'ny maro izany na tsia?


Ps: fa maninona i Jentilisa no tsy miarahaba ny vehivavy? Ka ny fomba hitako amin'ny haino amanjery dia ny vehivavy ihany no tena miarahaba ny vehivavy koa! Jereo fa ny vadin'ny filoha no miarahaba ny vehivavy fa tsy ny filoha. Matoa ny lehilahy miarahaba ny vehivavy dia mitady oroka ny ankamaroany izay, fa mety hisy ihany ny "exception" an!

Jentilisa, 09 marsa 2010, amin'ny 02:11

Vavaka mampigadra

2010-01-21 @ 21:54 in Andavanandro

Efa nisinisy ihany ny nitantara ny zava-nitranga ny alakamisy 21 janoary eto amin'ny tontolom-bolongana malagasy. Mety kosa angamba raha mitantara izay hitako aho. Efa fofona manempotra no niandry anay teo amin'ny fandraisana fiara fitaterana teo Anosy manoloana ny Carlton sy ny radiom-pirenena. Tsy navelan'ny miaramila nijanona teo loatra ny fiara fa tereny handeha avy hatrany ary norarany tsy hahazo mijanona miandry fiara fitaterana eo ny olona. Heveriko fa ny tena naharomotra an-dry zalahy ireo dia hita fa betsaka amin'ny mpitolona teo no mpanohana an-d Ravalomanana, nefa tsy zakan-dry zalahy mihitsy ny tahaka izay. Tsy niala teo moa izahay mazava loatra. Teny antenantenan-dalana izahay no niala noho ny fitohanan'ny fiara... izany hoe tsy nisy valy bontana avy amin'ny olo-tsotra velively ka namaliana ireo mpitana ny fitaovam-piadiana ireo ary tsy nisy tapikana vato nitorahana mihitsy tavela teny amin'ny arabe.


Eny amin'ny arret eny Anosy manoloana sy ampitan'ny cité Jardin dia feno olona mijoro ihany koa, fantatra ireo fa tsy handray fiara velively fa miandry zavatra na manantontosa ny anjara tolony. Misy kosa ireo mpitana fitaovam-piadiana no aviavy amin'ny olona eo ka mandroandroaka sy manao ramatahora, eny fa na dia ireo olona any anaty fiara aza. Ny tena mafana fo amin'ny famoretana olona moa dia ny zandary (misatro-mainty), misy ny olona mihataka (miampita ny arabe) ary misy ny tsy mihetsika mazava loatra fa mijanona eo ihany. Ny zaridaina dia tsy azo ipetrapetrahana fa an'ny mpitana fitaovam-piadiana irery. Lasa misy sary vaovao mipetraka rehefa mahita izany tranga rehetra izany: sahala amin'ny hoe tsy azo idiran'olo-tsotra intsony ny zaridaina rehetra manerana ny tanàna.


Manaraka izany indray dia hiresaka kely ny lohateny aho. Nivezivezy ihany koa moa ny tena nijery hatrany ny teny amin'ny manodidina teny. Hita fa nisy andian'olona nipetraka nanemitra ny fefy avaratra (ivelany) amin'ny zaridainan'Anosy. Marihina indray fa olon-dehibe retirety sy vehivavy avokoa ny ankamaroan'izy ireo. Maimbo rà indray ireo zandary efa niambina ilay fiantsoana manoloana ny Carlton ka niantso ny namany. Raikitra indray ny  fandefasana baomba mandatsa-dranomaso ka voan'ilay bolongana iny tao anaty olona tao ny tovolahy iray. Naratra mihitsy moa izy io. Nahita izany ny ramatoa iray fa tonga dia nivavaka sy nandroaka devoly. Nampiempo ny mpitana fitaovam-piadiana angaha izany ka dia ny zanany avy hatrany no noraofin-dry zalahy. Nanaraka ho azy ramatoa... tsy nety nitsoaka moa izy ireo ka izay angaha no nanaovana ny fisamborana... Tsy nisy tora-bato tsy nisy fandrangitana velively tao anatin'izany fa olona nangina sy mipetraka no anaovan-dry zalahy fanamparan-kery. Sary voataratra ao anatin'izany: Miady amin'ny fanahy ratsy ny mpitolona ka tsy mba mamaly velively ny fihetsika ataon'ny mpitana ny fitaovam-piadiana... Ny fanahy ratsy no roahiny tsy hanjaka. Setrin'izany dia romodromotra aoka izany ireo mpitana fitaovam-piadiana te-hampiditra ny ady amin'ny nofo aman-dra... ary dia ny olo-tsotra tsy nanao ratsy na inona na inona azy no roadroahiny.


Maro an'isa amin'ireo mpitandro ny filaminana no mijoro fotsiny tsy manao na inona na inona fa iretsy vitsy an'isa iretsy no tsy fantatra intsony na entin'inona na entin'inona. Mpitana fitaovam-piadiana sivy kamiao miampy ireo avy amin'ny hery manokana mandeha amin'ny fiara tsy mataho-dalan-dratsy no tazana teny amin'ny manodidina teny. Mihinan-kanina fotsiny no ataony rehefa maraina fa manohana sahady ho fiomanany ny tolakandro angaha!



Tsy an-tsain'ny tena mpitolona velively ny hanao herisetra


Misy fanaovana dinika mavitrika amin'ny fanehoan-kevitra izay eto amin'ny aterineto fitsapako hatrany ny zavatra hitranga ny ampitso sy ny tetiky ny mpanakorontana. Ankehitriny dia velona indray ny fampirisihana ny hitora-bato na hitoraka flesy, handoro kodiarana, sy hevitra hafa ao amin'io fanaovana dinika io ho fampiomanana valifaty mandrakariva. Rehefa mahita hafatra sahala amin'ireny aho dia miahiahy avy hatrany fa ho avy hanao ny ataony indray ny mpanakorontana ny zoma 22 janoary 2010, hanao tetika handravana ny tolona ampilaminana izay tsy mamaly hery ny fampiasan-kery na dia na dia iharan'ny fanenjehana aza. Amin'izay fotoana izay ihany koa dia mba manana rariny ahay ny miaramila ny handrava ny hetsika fa tsy ry zareo indray no manakorontana sahala amin'izay nitranga ny alakamisy 21 janoary 2010.


Rehefa misy hatrany ny sakoroka dia misy ireo andian-jatovo mikendry ny hanararaotra mihazakazaka mafy nefa mitetika handrava tsena, sady any avy hatrany ny lalan'izy ireny. Ny tena mpitolona kosa miala tsimoramora ihany raha miala fa tsy mihazakazaka velively, sady ny ampahany betsaka amin'ireo mpitolona ireo dia aoka hotsorina fa tsy hahavita hihazakazaka noho ny fahanterany sy ny fahalemeny (ny antitra sy ny vehivavy no tena maro an'isa). Tsy misy mamaly tora-bato ny fandroahana ataon'ireo zandary ireo. Miaiky ny herimpon'izy ireo aho rehefa nahita azy ireny manerana an'Anosy, ary fantatra avy hatrany izy rehetra rehefa mandeha eny, eny fa na dia tsy mitondra sorabaventy sy tsy mihogahoga akory aza ry zareo(namana nahita tsara ny zava-nitranga sady manana bolongana rahateo no nahafantarako fa nihira ireo olona teo anoloan'ny Carlton, tranga izay efa novinavinaiko hisy mihitsy tamin'io andron'ny alakamisy io). Koa iangaviana ianareo miketrika herisetra hampitsahatra izany fikasanareo izany fa tsy vahaolana mihitsy izany indrindra manoloana ny hery tsy mitovy.


Fanamarihana kely

Dia efa vita tokoa angaha ny tolon'ny tanora na tsy mifanaraka amin'ny revin'ny tanora izy ity fa tsy dia hitahita loatra izy ireo. Tsy ampy fanentanana ve sa leo politika sahady? Tokony hisaina kosa anefa izy ireo hoe nahoana moa ireo olon-dehibe izay retirety sy manakaiky ny retirety ny ankamaroany no tsy laitra fa mandeha mitolona hatrany na dia efa fantany izao ny miandry azy? Sao dia lasa mahatsiaro ny endrika ratsy niainana nandritra ny fanjanahantany izy ireo ka miezaka ny hampiverina araka izay tratry ny heriny amin'ny famerenana indray ny fahaleovantena? Fanairana mandrakariva ireo izay mahatsapa ho manana andraikitra manoloana ny zavamisy eto amin'ny firenena no ataoko. Miandry toe-javatra hafa ny olona sa dia efa voafehy tanteraka ny reska fitsikilovana ka tsy misy intsony ny afaka mandray ny andraikitra tandrify azy?



Jentilisa, Zoma 22 janoary  2010 amin'ny 00:00

Mihamafana mihamafana...

2010-01-05 @ 23:12 in Andavanandro

Tontosa iny ny fetin'ny faran'ny taona fanaon'ny daholobe fa ny asaramanitry ny mpitondra fanjakana sy ny fikambanana kosa mbola ao anatiny tsara mandritra ity volana janoary ity. Ny teto Antananarivo manokana dia niavaka tokoa izany fety izany. Tsy niavaka ho reharehan'ny renivohitr'i Madagasikara fa ho henatra ho azy kosa.


Asaramaimbo

Tsorina fa tsy Asaramanitra no niainana fa Asaramaimbo ara-bakinteny. Tsy nahate-hivoaka velively ny faran'ny taona fa mampihidy an-trano. Mpandalo ny afovoan-tananan'Antananarivo ny tena matoa mahasahy miteny izany. Mantsina tanteraka ny lalana andehananao miainga hatreny ambanin'ny zaridainan'Antaninarenina, Ambatomena, Tsaralalàna, Analakely (efa tsy ilay anoloan'ny lazaina ho metro intsony no ambarako eto fa Analakely amin'ny ankapobeny), Soarano... asa tsy fantatro intsony hoe hatraiza fa ireo ny afovoan-tanàna lazaiko aloha. Ny tena maharikoriko dia ny toerana somary mihataka ampolony metatra ny toeram-pidiovana no tena mantsina sy ifendrahan'ny loton'olombelona. Tsy ilay hoe tsy miditra any izahay fa eto ambaravarana ihany ity dia alefanay (miala tsiny indrindra raha mikaly ianao mamaky ny teny) fa hoe tsy todinay iny folo metatra iny fa mavesatra loatra ny rano entinay moa izahay rahateo kamo.

Raha tarafina dia avandravandrany fa tsy manana toeram-pidiovana izy any amin'ny tanàna misy azy any ka ampitoviana amin'ny any amin'ny niavian'ny tena ihany ny hanaovana an'Antananarivo afovoan-tanàna tokony ho fitaratra tsara ho an'ny Malagasy eo imason'ny vahiny. Tsy hoe fihatsarambelatsihy izany fa na aiza na aiza tokony hisy hatrany ny toerana tokony ho reharehan'ny mponina ka mendrika izany indrindra ny afovoan-tanàna izay aetrin'ireto tsy tamàna an-tranony ka mampiely ny malotony manerana ny tanàna ireto. Mba azonao vinaniana ve izany hoe anoloana sy anilan'ny Honey, Blanche Neige, Gastro Pizza no tena anaovan'ireto tsy mifaditrovana ireto ny hadalany? Tsy ho afa-miteny velively anefa ny tompon'ireo toeram-pisakafoanana sy fankafizana karazan-tsakafo izany raha tsy te-hahazo ny angaredon'ny "vahoaka madinika". Dia hoy ianao hoe aiza izany no hitsangatsangana? Aleo ny manana fiarakodia handehanana no hamaly fa tsy mahita valinteny loatra ankoatra ny toeram-pivavahana  na an-tokatrano izahay sarangan'ny antonony ihany.

Fa eto ampanoratana aho dia mahatsiahy ny vanim-potoanan'ny talohan'ny fanjanahantany izay novakiako tamin'ny boky tantara fahakely. Tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-19 tokoa anie dia tena Antananarivo iray manontolo mihitsy no mantsina satria eny amin'izay mahaporitra ihany no hanalana ny mavesatra. Efa nanomboka nisaritaka manko ny fanjakana tamn'izany fotoana izany ary efa nanomboka tsy voafehy intsony ny olona tamin'ny ankapobeny. Tsoriko fa raha namaky izany soratra izany aho tamin'ny voalohany dia kiriko sy tezitra satria nihevitra aho fa fanaratsiana ny Malagasy ihany ity nosoratana Malagasy  ity saingy niaiky ihany aho fa tena nisy izay tranga izay rehefa mijery ny ankehitriny aho. Izany hoe nihemotra 120 taona be izao ny Malagasy eto Antananarivo raha ny fahadiovana sy ny fikajiana toerana no heverina. Ny tena mampiaiky ahy moa dia ny fefy manamorona ny Lapan'ny tanàna an-dalam-panamboarana aza ve dia anaovana maloto toy izany? Tena maharikoriko. Soa aloha fa efa nitsahatsahatra kely izany ezaka fandotoana sy fanamaimboana an'Antananarivo izany saingy tsy midika izany hoe nifarana hatreo ny amin'izany.


Ny Genesisy (Jenezy) nahatonga ny loto sy ny fofona ary ny korontana ankehitriny

Tamin'ny andron-dRazanamasy Guy Willy no nandrenesako sy nahitako voalohany indrindra izany fandaminana ny tanànan'Antananarivo izany. Raha miresaka tanànan'Antananarivo anefa tamin'izany fotoana izany dia Analakely ihany no tena fantatry ny Besinimaro. Analakely izay nikorontana tanteraka isan-joma indrindra indrindra satria lasa toeram-pivarotana avokoa hatreny andohan'Analakely mandra-pahatonga ety amin'ny Garan'ny Soarano. Lazan'ny tanàna tamin'izany fotoana izany ny tsena saingy efa nahatsapa ny maro fa tsy lasa intsony ity savoritaka afovoan-tanàna ity. Samy nanana ny fampielezan-keviny ny antoko saingy izy aloha no nolanian'ny Besinimaro ka nanapahany hevitra fa foanana hatreo ny tsenan'Analakely. Nafindra tamin'ny toeran-kafa manodidina avokoa mpivarotra rehetra tamin'izany fotoana izany, ary nifanarahana tamin'ny Japoney fa tsy haverina eny intsony ny tsena. Ny volan'ny Japoney manko no nampiasaina hanatsarana ity toerana an'Antananarivo ity. Finaritra ery ny tena nijery ny hakanton'ny tanàna ka nanao hoe hay ve azo atao tahaka izao ity tanàna ity? Dia nokarakarain'ny Le Buffet du Jardin ihany koa ny zaridainan'Antaninarenina rehefa vitany ny fifanarahana tamin'ny Kaominina tamin'izany fotoana izany. Dia nireharehana mihitsy fa efa mitovy amin'ny zaridainan'ny Andafy amin'izay ity zaridaina ratsy endrika talohaloha ity.

Nifanindran-dalana tamin'izany ihany koa ny firoboroboan'ny orinasa afaka haba ka maro tamin'ireo mpivarotra no nihevitra fa ny any no hahazoam-bola kokoa. Vokany, nihavitsy sy nihafoana tsikelikely ny mpivarotra amoron-dalana ka nanamora ny asam-panamboarana ny tanàna izany. Tonga ny Ben'ny tanàna manaraka, nitohy hatrany ny fanadiovana sy ny fanatsarana na teo aza ny fifanandrinana mangina teo amin'ny fitondrana foibe sy ny mpitantana ny tanàna. Nisy ny hetsika teto amin'ny firenena saingy hita fa efa tafiditra tao anatin'ny mpitolona tsara izany fikajiana ny tanàna izany. Nahazo horakora-panoherana izany mbola mahasahisahy mivalandrano amin'ny rindrina izany ary ny ankizy mihitsy ny hanaraby anao. Mahatsiaro menatra ny olon-dehibe zatra ny lalan-dririnina amin'ny fanaony nandritra ny gaboraraka fahatanorany. Tamin'ny 2001 izany dia nanjaka kokoa teto Antananarivo ny mpikajy ny fahadiovana sy ny filaminana.

Nasiaka dia nasiaka tamin'ny fitandroana ny fahadiovana ny mpitantana ny tanàna nanomboka hatreo ka nanjary nifanenjika matetika ny mpivarotra amoron-dalana izay tsy nahazo avara-patana mihitsy nandritra ny fitondran'ny filoha teo aloha sy ny mpiasan'ny Kaominina isan'nadro fa ny hariva kosa dia misy ihany ny fiverenan'ny mpivarotra mameno ny amoron-dalana. Tena voatandro tokoa manko nandritra izany fotoana izany ny hoe an'ny mpandeha an-tongotra ny amoron-dalana fa tsy an'ny mpivarotra. Niova tokoa ny endriky ny tanàna fandalovako satria feno zaridaina izay nandalovana (izay indrisy potika avokoa amin'izao fotoana izao). Nisy ihany anefa ny sarangan'olona tsy faly ka nihevitra fa nanjaka ny jadona (satria tsy afa-nanao izay tiany natao ny olona!). Nivoaka izany fahatezerana izany nandritra ny fifidianana Ben'ny tanàna tamin'ny desambra 2007. Na dia nilefitra nandritra ny fampielezan-kevitra aza ny mpitantana notendrena vonjimaika tamin'ny toerany, namela ny mpivarotra amoron-dalana hibodo indray ny amoron-dalana indrindra fa nanaraka iny Isotry izay fandehanako niasa tamin'izany fotoana izany iny, tsy nampiova ny safidin'ny mpifidy izay efa nahazo fampanantenana hahazo mivarotra malalaka ireny toerana ireny "noho ny fahasahiranam-bahoaka" raha voafidy izay nampanantena. Resy tanteraka ny antokon'ny mpitondra, niova tsikelikely ihany koa ny toerana nahafinaritra rehetra vao haingana teo.

Teo aloha manko, tsy nisy nahasahy nanitsaka na dia ny bozaka amin'ny zaridaina aza, ankoatra ny fotoana vetivety hakana sary angaha, hany ka maitso mahafinaritra hatrany ny zaridaina nanerana ny tanàna. nanomboka teo kosa dia tsy nisy intsony ny nampitandrina tsy hanitsaka ny bozaka na ny zaridaina. Ny hita aza dia noezahin'ny mpitantana ny tanàna vaovao ny hanimbana ny zaridaina rehetra tamin'ny alalan'ny famaritana azy ireny hananganana tranoheva indrindra nandritra ny desambra 2008, tamin'ny nanesorana sy nitrongisana ny zaridaina nisolo toerana ny Lapan'ny tanànan'Antananarivo efa may tamin'ny 1972 fa hoe haorina indray ny Lapan'ny tanàna. Napetraka tsikelikely tamin'ny mponina fa tsy misy dikany ireny zaridaina ireny fa ravoravo natentina tsy mahavaha olana akory ny "fahasahiranan'ny mponina". Voavoly tao an-tsain'ny mponina tamin'ny ankapobeny nanomboka hatreo fa mahazo manao izay tiany atao amin'izay izy...

Tonga ny tolona laoranjy 2009. Notokanana ny kianjan'ny demokrasia hamoriana olona. Tiana haseho fa maro mpanaraka ny mpitolona. Niezaka ny nanangona ny azy ihany koa ny filoha tamin'izany fotoana izany tamin'ny alalan'ilay sarim-pitsenana tamin'ny 25 janoary 2009. Tsy nahazaka ny nahita ireto olona notaterina tany amin'ny manodidina an'Antananarivo ny mpomba ny TGV ka ho famaliana bontana izany dia nopotehina ilay tetezana fiampitan'ny olona tetsy amin'ny CENAM 67ha vita nahafinaritra sy naha-te-hijorojoro aza. Io no fanimbana fananana iombonana voalohany natao ankarihary... Ary dia nitohy izany ny alatsinainy 26 janoary 2009 izay tsy dia tiako hotantaraina aloha. Tafapetraka tanteraka indray ny toe-tsaina tsy miraharaha ny endrik'Antananarivo izay nilaozana 15 taona nialoha io fotoana io. Noho ny fifanarahana dia lasa mpiambina ny kianjan'ny 13 mey ireo tsy nanao na inona na inona fa mpanaraka sy mpangatangataka amin'ny vazaha sy manao rami mandritra ny andro (izay no mahakatry rami azy ireny)... efa manana ny anarana ahafantaran'ny maro azy aza izy ireny fa tsy averiko eto izany. Koa rehefa mpiambina ny kianjan'ny 13 izy ireny, indrindra rehefa nitolona ny mpomba an-dRavalomanana dia matoritory sy milalao eny amin'ny zaridaina izay norarana tsy itsahina  taona vitsivitsy nialoha io fotoana io. Dia manao izay tiany atao eny... Ka nifanaraka taminyianao koa! dia tonga amin'izao fenitra izao isika. Mitantara aho fa azonao tsikeraina izay nosoratako. Izaho koa mahafantatra tsara hoe iza no tena rangory nahatonga indray izao gaboraraka manimba ny tanànako izao.


Sarontava ny famitana  Lapan'ny tanàna

Tadiavina ho atao rehareha amin'izao fotoana izao ny fanamboarana sy ny fahavitan'ny Lapan'ny tanànan'Antananarivo. Nahoana kosa moa no tsy lazaina hoe tsara izany zavatra vita izany saingy tamin'ny fomba manao ahoana moa?

Voalohany, nandritra ny fampielezan-kevitra desambra 2007 dia tsy naheno mihitsy aho hoe hamboarina ny Lapan'ny tanàna satria mety horaisin'ny olona ho fampanantenana poak'aty avy hatrany izany. Vantany vao lany izy no nanambara izany fampanantenana izany. Nanokatra ny kaonty fandrotsaham-bola izy hirodorodoan'izay mety ho malala-tanana. naverina nofefena indray ny manodidina ny Lapan'ny tanàna. Tsapako avy hatrany tamin'izany fotoana izany fa tsy ny hanaboatra ny Lapa loatra no tena nahamaika fa misy zavatra hafahafa ketrehina eo. Ny nampihomehy irery ahy dia toa nisinda ilay ahiahiko rehefa naroso 20 metatra ny fefy nanaronana ny toerana. maika nanarona fotsiny ry zareo sy nitrongy tanteraka ny zaridaina tao fa toa mbola tsy vonona akory ny vola. Hay tokoa moa ka efa tetika vita paika tokoa ilay hoe hanangana ny Lapan'ny tanàna fa... efa fantatsika ny tohiny no tena nokendrena.

Rehefa tontosa izay nokendrena ka vita ny fanonganam-panjakana vao notadiavina indray ny hamitana ny Lapa. Ilay vola nangonina tsy hita nanjavonana fa dia nilaza handrotsaka vola 1 miliara ariary hamitana azy ny CUA raha 5 miliara ariary kosa ny avy amin'ny fitondrana foibe. Raha ny tokony ho izy anefa dia tsy tokony hahazo hanokana vola ho amin'ny famitana ny Lapan'ny tanàna izany ny mpitondra foibe satria tsy voasoratra tao anatin'ny tetibola izany. Ny Rovan'ny Manjakamiadana aza tsy azo nanaovan'ny fitondra foibe toy izany fa tsy maintsy avy amin'ny vola nomen'ny tsara sitrapo rehetra sy ny malala-tanana no namitana ny andiany voalohany izay vita amin'izao fotoana izao fa tsy misy tokotaniny kosa ny andiany faharoa. Hitantsika moa fa manao izay tiany atao ny mifehy ny tanàna amin'izao fotoana izao, ka izay no nahafahana mamita io Lapa io, fa raha tsy izany dia nivandravandra fa ilay tontosa tamin'ny janoary hatramin'ny marsa 2009 ihany no tena nilàny io toerana io. Na izany na tsy izany, tsy tahaka  izay tena tamin'ny endriny voalohany io fanamboarana natao io fa kely kokoa sy manify kokoa ny aty ambadika. Izany hoe tsy misy miraharaha ny amin'izany fa ny endriky ny Rovan'i Manjakamiadana ihany no tena tadidin'ny rehetra tsara ka tsy maintsy tafaverina amin'ny endriny teo aloha ny endrika hitan'ny Besinimaro imaso. Na izany na tsy izany tsy misy tsara tahaka ny vita e!

Tena zavatra hafa mihitsy no nokendreko hosoratana [ny resaka tolon'ny ankolafy telo sy ny hetsiky ny mpitondra fivavahana] fa dia lasa fanazavana hafa mihitsy no voavelabelatra. Raha te-hametraka hevitra ianao dia omany anaty brouillon aloha [notepad na Bloc-Notes] izay soratanao, dia rehefa vita izany no actualiser-nao ity takelaka ity, dia apetakao eo amin'ny hevitra ilay voasoratrao dia fenoina ny anarana, averina soratana eo anila ny marika hitanao dia alefaso amin'izay ny lahatsoratra.



jentilisa , 6 janoary 2010 amin'ny 01:16

Hotakiana hetra ny Ambasady vahiny eto Madagasikara???

2010-01-03 @ 20:59 in Andavanandro

Tsy mampino ny zavatra henoko, ka aleo apetraka eo amin'ny sehatry ny tsahotsaho, saingy ilay karazana tsaho sahala amin'itony ilay tena ahiako ho tanteraka rehefa heno ihany. Efa nanoratra ihany aho tamin'ny herintaona fa ny tsahotsaho tsy mampino fa toa fanaratsiana no iheverana azy no tontosa tokoa avy eo ka mitampim-bava fotsiny ireo naheno mialoha ka nilaza hoe resaka adala izany. Iza moa no nieritreritra hoe takiana IBS ny FJKM amin'izao fotoana izao? Mbola io irery aloha ny fiangonana mbola nilaza fa takiana io hetra natokana ho an'ny orinasa na tranombarotra io hatramin'izao... izay heverina ho antsojay manokana aloha hatramin'izao. Fa hay... raha amin'ity resaka henoko, mbola apetraka ho tsaho ity saingy aleo soratana sao tanterahin-dry zalahy tokoa, ity dia vao fanombohan-draharaha fotsiny io manjò ny FJKM io fa ho avy koa ny anjaran'ny hafa.

 
Re ary fa nanome (baiko tamina Minisitra hamoaka) naoty ingahy milaza ho filohan'ny FAT hitaky hetra amin'ny Masoivoho vahiny, sampan- draharaha iraisam-pirenena na/sy miankina amin'ny Firenena Mikambana, fikambanana vahiny tsy miankina manao asa soa fa hotakiana hetra koa ireto farany ireto. Raha manoratra aho dia mahafantatra tsara fa tahaka ny resaka adala izany, saingy efa nametraka tsara aho fa misy zava-kendrena ao matoa mivoaka ny zavatra sahala amin'itony. Izany hoe eto dia fomba mihaja handroahana ny vahiny rehetra ankoatra ny Frantsay no tanjona ary iny lalana iny no mizotra tokoa ho amin'ny fanjanahana indray an'i Madagasikara. Voararan'ny lalàna iraisam-pirenena na ny fifanarahana iraisam- pirenena ny famoahan-javatra tahaka izany, na ireo mpiasa nahita io naoty io aza dia nilaza izany hoe, saingy tsy noraharahiany izany fa tiany hotanterahina. Sahy milaza aho, fa raha vao nahare io siosion-dresaka io, dia nanao hoe tena sahiny ny mandray fanapahan-kevitra tahaka izany.

 
Tsy vao voalohany teo amin'ny tantaran'i Madagasikara manko no nisy toe-javatra sahala amin'izany fa efa nisy tokoa io tamin'ny taona 1975 tany ho any raha mody narangaranga ny antsoina hoe fitiavan-tanindrazana sady natao izay hamaritana fa ny fitiavan-tanindrazana dia midika hoe fankahalana ny vahiny rehetra sy ny fandroahana azy hiala an'i Madagasikara. Efa hitantsika amin'izao fotoana izao fa mandrangaranga ny antsoina hoe fiandrianam-pirenena ny FAT ary tsy sarotra ny hino fa vitany indray izany. Nanana ny lazany manko izany hopitalin'i Manambaro izany amin'iny faritra antsimon'ny nosy iny. Maro ny olona no nizotra nankany hotsaboina noho ny hatsaran'ny fitsaboana tany izay maimai-poana araka ny fahalalako azy. Ny Amerikana no nikarakara ny hopitaly na dia eo ambanin'ny anaran'ny FLM (Fiangonana Loterana malagasy) aza no nitantanana azy. Nanapa-kevitra ny filoha Ratsiraka tamin'izany fotoana izany, izay heverina fa noho ny soso-kevitry ny Past. Andriamanjato Richard Mahitsison izay mpanohana mavitrika ny TGV amin'izao fotoana izao, fa hakana hetra avokoa ny fanafody ampidirina rehetra eto Madagasikara na dia maimai-poana aza no hanomezana azy amin'ny marary. Ny Hopitalin'i Manambaro no tena kendrena tamin'io fanapahan-kevitra io, mba tsy hahavitany na inona na inona. Nahombiazana ilay tetika satria tsy tamana intsony ireo mpitsabo Amerikana fa lasa nody. Dia tetika tahaka izany indray no averina eto amin'izao fotoana izao hahalao monina ireo vahiny rehetra eto Madagasikara afa-tsy ilay efa nolazaiko ery ambony ka tsy mila averina intsony angamba.

 
Mbola mila hazavaina indray ve? Izany hoe raha toa mahatonga vary eto Madagasikara ny PAM (Programme Alimentaire Mondial) ohatra ka mitatitra ny fanampiany any amin'ny faritra atsimon'ny nosy dia andoavan'ny PAM habany ireo vary tongany hatao fanampiana ireo. Inona no antony hanaovany izany? Mety hihevitra avy hatrany isika fa noho ny tsy fahampian'ny vola ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana no hanaovana izany. Tsy voatery ho izay anefa no tena tetika ao ambadika na mody ampisainina amin'ny Besinimaro fa misoroka izay mety ho zavatra ampidirin'ny masoivoho vahiny na fikambanana iraisam-pirenena eto izy. Raha sanatria manko mby amin'ny fanavotana ny firenena tsy ho lasa zanatany indray ny Malagasy dia tsy manana lalana ampidirana izay fomba hanakanana ny hanjanahana an'i Madagasikara afa-tsy amin'ny alalan'ireo masoivoho efa misy eto Madagasikara. Efa tsinjon'ny sasany izay lalana izay, ka dia ny fomba hialan'ireo Masiovoho sy fikambanana iraisam-pirenena ireo no tetika atao amin'izao fotoana izao. Mariho hatrany fa eo amin'ny resaka stratejia amin'izao fotoana izao no tena ilaina fa tsy resaka fanoherana bontolo na amin'ny fo intsony. Anjaran'izay tokony hanana fanapahan-kevitra hentitra hanavotana an'i Madagasikara ny mieritreritra fa nanao ny anjara tandrifiko aho aloha izay androany.



jentilisa, alahady 03 janoary 23:03

Tononkira taombaovao

2010-01-01 @ 22:15 in Andavanandro

Endrey! Nahatratra ny taona vaovao, hono, isika rey olona a! taona vaovao hifampirariana soa eo amin'ny fianakaviana sy ny havana aman-tsakaiza ary ny mpiara-belona rehetra. Fomba fanao ve ka dia arahina? Mba andro manokana kosa e! Impiry hifampirary soa amin'ny hafa kosa ary moa? Dia inona ilay soa ifampirariana ary? Samy manana ny tiany io. Ny tena miverimberina moa amin'ny fotoana tahaka itony dia ny prospérité, santé, bonheur (fanahy iniako ny manao azy ho teny frantsay satria teny hainareo tsara izany ary azoko matetika rahateo)... Sahiran-kevitra mandrakariva aho rehefa mahazo hafatra toy ireo, nefa tsy efa tsara kosa ve ireo firariantsoa ireo? Ka samy manana izay tiany mihitsy io.

Sahirana aho, amin'ny maha-Malagasy ahy amin'izao fotoana izao, raha prospère satria hoy ihany ny teny malagasy hoe ny hazo avo halan-drivotra, dia velona ny fialonana miainga amin'ny hoe matoa manankohariana dia noho ny halatra sy ny fitsetsefana mbamin'ny fanambakana ary ny kolikoly izay nataony... Tsy mahagaga raha maro ny Malagasy any ambany ravinahitra any na dia manambola betsaka aza no tsy misehoseho loatra amin'izany, fandrao voatondro ho mpirehareha amin'izany toerana izany ihany koa. Amin'izao fotoana izao aza moa ny kely ananana mbola lazain-dry zalahy hoe aleo indray mba ho anay fa efa ela itony no anareo!

Sahirana aho, raha ilazana hoe santé satria toa manambara ahy ho tsy salama lalandava izany ka toy ny hoe farofy, nefa ny fahasalamana no voalohan-karena; ary efa tsy andrianina intsony ny marary fa ny aza tratrany ihany (aleo farafaharatsiny tendany? koa raha kenda amin'izany?). Ny fiarahabana Andriana teto Imerina no hoe  Tsarava... Tsy haiko intsony na niainga avy amin'ny teny hoe "Tsara va?", nefa mety ho firariana sahady mba ho tsara avy hatrany fa hosahirankevitra eo raha mandre hoe tsy dia salama... lanjalanjaina lalandava eny tokoa ve fa tsy mba mandeha tongotra loatra tsy ho farofy ihany e? Sa tsy mahazo manoratra tahaka izany moa aho?

Sahirana aho rehefa irariana ny bonheur satria toa petrakevitra tsy mety ho takatra (fa vano indray sa tararaka? tsy maninona ataovy vorompotsy hiara-dia, na vorondreo tsy mifanary, fa raha voromanga dia mahalala havana!), toa mametraka ahy avy hatrany ho dans le malheur... Tsy fahatsapana velively anefa izany bonheur izany ka entina ifaliana fa mitombina tsara ny hoe mijaly aho nefa sambatra. Aza tadiavina ela loatra ny hevitr'izany sao mahalasa adala anao eo... Fa torolalana kely ho anao fotsiny ilay filazana hoe: "Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana fa izy no hovokisana". Noana sy mangetaheta va ka ho sambatra? Minoa fotsiny ihany! Koa nahoana aho no mbola irariana bonheur nefa efa ao anatin'ilay bonheur? Dans le sens que ce bonheur me dirige vers le bonheur! Azafady! Salama tsara aho ka! mety mbola tsy ho takatrao fotsiny ny heviny!

Dia aza atao mahagaga anao nandefasako firariantsoa raha soratra manao hoe: "Ho aminareo (mandrakariva) anie ny fahasoavan'ny Tompo!" no vakianao. Satria samy manana ny Tompony io. Ao ny manana azy ho YHWH, na Jesoa, na Allah, na Bouddah, na Krishna, na Mammon... eny mety ho Moi na izaho ihany koa, tsy adino Ra-jeanne... tsia Razana no tokony ho fanoratra azy. Koa raha manonona anao hoe Tompo aho tsy ny Tompoko tsy akory no irariako hanasoa anao fa ny Tomponao ihany, mety ho miresaka tompo roa samihafa isika nefa mety miresaka tompo iray ihany koa. Fa tsy ny taona vaovao mihitsy kosa aloha no hitondra soa sy fanambinana ho anao na izany aza! Manahirana mihitsy ange ry zalahy ity teny malagasy ity nefa dia izany no malaza amin'ny olona... Toa tsianjery maimbo fotsiny.

Dia izay no ela fa dia inona loatra no nahatonga ny lohateny? Mijery ny zavamisy eto Madagasikara amin'izao fotoana izao manko ny tena ka dia mahatsiaro ilay hiran'i Mahaleo mitondra ny lohateny hoe Bemolanga iny. Toa hira taombaovao izy iny raha jerena amin'ny tonony. Dia indro averina kely ho antsika rehetra ny sombiny:

Ny taona ity miherina,
Asa izay mba entin'iny
Ahiako mbola hiverina
toy ny tamin'ny taona lasa ny zavatra raiketin'iny

Fa ny fanantenana
Efa mihena, mitsilopy
Fa tsy misy fihatsarana
Na mba hisy fiovana f'efa zary nofinofy

...   ...   ...   ...

Rahoviana no hitranga
Asa angamba atsy ho atsy
No ho tonga i Bemolanga
Dia isika tsy ho lany vatsy

Mahavariana fa be tokoa ny mieritreritra ankehitriny fa ahiana ho toy ny tamin'ny taona 2009 lasa ihany no haverina horaiketin'ity taona vaovao 2010 ity. Na dia mitantara ny trangam-piainana tanatin'ny revolisiona sosialista tsy azo niresahana politika na nitsikerana fitondrana aza izany fotoana izany, itony hira Bemolanga fampanantenana natao tamin'ny olona itony no hiram-panoherana nasehon'ny olona ny tsy fahafaliany ka nohirain'ny tanora isan-tamboho. Mandraka ankehitriny, toy ny hiram-paminaniana indray fa toa hitohy amin'ny 2010 ny tolona natomboka tamin'ny 2009. Ankehitriny, rehefa hotrandrahina tokoa i Bemolanga hay ny orinasa vahiny ihany no hitavana azy fa tsy manambola hitrandrahana ny hareny i Madagasikara. Tahaka ny hoe naniry loza ho an'i Madagasikara ihany isika hitrandraka an'i Tsimiroro sy i Bemolanga fa ny angovo dia imatimatesan'ny firenena ambonin'ny tany, ary izay firenena trandrahin'ny vahiny ny angovo ao aminy toa miady an-trano avokoa... Ka ampiadiany izay manaiky miady tsy hanelingelina ny fitrandrahany azy, fa sombintsombiny ihany ny vola omeny ny mpitondra ho fanapena-maso ity farany. Koa tsy an-dalan'ny ho any koa ve izany isika? Indrisy manko...

Manahy aho fa tsy hisy hiova
Ny omaly tsy hiova volo (Aiza kosa? tsy maintsy hoe ihany orange ve?)
Toy ny fanaka eny an-dRova
Tsisy nanombinana fa efa may avokoa (na efa zary bobongolo)


jentilisa, 02 janoary 2010, amin'ny 00:20 maraina

Nifanafika ny samy mpivarotra [sary]

2009-12-02 @ 23:57 in Andavanandro

Raha sakoroka eo amin'ny mpivarotra sy ny polisin'ny kaominina tamin'ny ankapobeny no niheveran'ny maro tsy nahita ny zava-nitranga ny raharaha 2 desambra 2009 dia fifanenjanana teo amin'ny samy mpivarotra no nanamarika ny zavatra hitako teny Ambodifilao, Soarano, Behoririka.

Tsy nahita ny fanombohan'ny raharaha aho satria tsipalotra tamin'ny radio fahazavana nandritra ny fandaharana isa-maraina Vavolombelona no nahenoako hoe nisy sakoroka teny Soarano teny. Mpanara-baovao ny tena no sady tia mitatitra izay hita koa dia niolomay nankeny. Aleo manko mitantara toy izay itantarana sanatria toa tompon-trano mihono.


Tamin'ny 10:18 ny tena no tonga teny ka nanapika ny sary voalohany. Ireo fiara lehibe toa milahatra handray hazakaza-piarakodia nefa feno olona manatrika azy ireo no nahafantarako avy hatrany fa misy barazy eo anelanelan'ireo mpifanatrika ireo. Ny tena tsara andraisana sary dia teo amin'ny barazy mihitsy [miendrika arofanina] saingy mailo ihany aho ka naleo naka sary somary lavidavitra kely. Aza mihevitra fa vitsy kely ireo manakana ireo dia afaka ny ho fetsifetsy ny mpitondra fiara! Eo ny liana fotsiny nefa eo ihany koa ny anatin'ny tolona fa maka sisiny.



Nisy fiara fitaterana iray avy taty amin'ny ilan'ny tsenan'ny Pochard saiky hitsoriaka tamin'iny lalana iny saingy sioka be manadala sy horaka no nitsena azy. Niahanahana tampoka ny mpamily ny fiara ka naleony niolomay niverina tany amin'ny lalana nihaviany ihany. Na izany aza dia toa nisy famindram-po ihany nataon-dry zalahy tamin'ireo mpanamory soavalivy (môtô sy skotera) satria kodiaran-droa ireny fa tsy kodiarana efatra. Hita fa manakaiky ny toerana misy azy avokoa ny mpivarotra amoron-dalana hitako fa tsy namelatra ny entany amidiny kosa.



Mba nalalaka kosa ny lalana ho an'ny mpandeha an-tongotra fa sady tsy nisy ny mpivarotra amoron-dalana no tsy nisy koa ny fiara mpanelingelina. Raha izao moa no atao hoe androm-pirenena tsy ampiasana fitaovana mamoaka gaza karbonika?



tamin'ny 10:21. Nifampitadiavan'ny tompon'ny fiara rehetra amin'izay ny lalan-kiverenana fa toa tsy azo ifandaminana mihitsy ry zalahy nibahan-dalana tao. Tsy maintsy nizotra tany amin'ny lalana tsy azo aleha ny fiara rehetra nefa tsy misy bedy amin'izany. Iza kosa moa no hijanona handany andro eo? Hita ho karazan'ny voafandrika avokoa ny fiara nandeha afovoan-tanàna rehetra sady toa tsy maharaka ny fandehan'ny raharaha avokoa izy rehetra.



Tamin'ny 10:24. Mbola vitsy ihany no hitanao mitondra sora-baventy manao hoe "Miala ny jadona dia tsy refesimandidy". Sorabaventy natao maimaika ary nosoratana tamin'ny stylo fa tsy tamin'ny loko velively. Toy ny hoe  nitroatra no fahita ireto olona ireto fa tsy hoe niomana ela. Ny reko tampoka teny antsefantsefany teny dia hoe aza misaraka amin'ny besinimaro loatra fa sao dia misy tsy ampoizina tampoka eo. Izany hoe nisy tahotra ihany tamin'ireto mpitolona ireto raha heveriny fa tafahataka amin'ny namany izy ireo.




Tamin'ny 10:26. Raha mbola feno fiara ity lalana ity dimy minitra lasa izay dia efa vitsy dia vitsy sisa ny fiara tazako tetoana ary fiara mijanona avokoa fa tsy fiara mandeha. Raha mahita fiara miloko volomboasary ny tapany ary fotsy ny tapany ianao dia tsarovy fa fiara mpivarotra hanimasaka ireny. Tsy nomena alalana hivarotra eny manko ry zareo raha tsy manao izay loko izay. Tokony ho fantatrao avy hatrany hoe iza moa no tompon'andraikitra nanao izay fanapahana izay.


Tsy hoe ny mpivarotra amoron-dalana rehetra dia nitokona tsy nivarotra ka nibahana ny lalana avokoa fa nisy dia nisy ny mpivarotra amoron-dalana tsy nanaiky hiara-dalana amin'izy ireo. Ny didin'ny be sandry sy ny maro an'isa anefa no nihatra ka dia lasan-dry zalahy ny entan'ilay mpiarotra amoron-dalana nitangoroanana teto anoloan'ny mpivaro-panafody teto. Nitabataba ilay lehilahy lasan'ny sasany ny entany hoe tsy mpitolona ianareo fa mpangalatra. Naverimberiny hatrany izany teniny izany. Nohorakorahan'ny hafa kosa izy tamin'izany teniny izany. Izany hoe tamin'ity fotoana ity dia mbola nandeha ihany ny "fifandresen-dahatra".

Marihina fa efa eo ampitan'ny Lisea Rabearielo io toe-javamisy io. Nandeha dia nandeha ny sioka sy ny kiririoka, mazava loatra fa tsy vanona ny fianaran'ny ankizy mpianatra saingy tsy navela hivoaka kosa izy ireo. Nandritra izany fotoana rehetra izany dia tsy nahita tamingana polisy sy ireo tovolahy karamain'ny kaominina handrava ny tsenan'ny mpivarotra amorondalana mihitsy aho. Efa nanakatom-baravarana kosa ny avokoa mpivarotra manana toera-pivarotana ara-dalàna rehetra. Heverina fa na fahamailoana no nahatonga izany na nisy nanery ny hanidy azy ireo mihitsy. Vao mahita fivialian-dalana amin'ny tsy lalan'ny mpitolona anefa ianao dia hahita mpivarotra misokatra ihany.


Tamin'ny 10:39. Nandroso nankeny Soarano ihany ireo mpilahatra, nanaraka azy ireo avy taty aoriana aho. Io fa mananontanona eo anoloan'ny Building... efa lasan'olon-kafa na dia mbola ny anarany ihany aza no ahafantaran'ny besinimaro azy ireo mpitondra sorabaventy. Hankaiza ny lalan'izy ireo? Iny fa hizotra hiditra ao amin'ny tsenan'ny Pochard. Nihevitra avy hatrany aho fa diso paika izy ireo. Tombontsoa mifanipaka ihany manko ny an'ny roa tonta ka tsy tokony hifanelingelina loatra. Efa manana fikambanana azy manokana manko ny mpivarotra ao anatin'ny tsenan'ny Pochard no efa anaty fefy rahateo ny fivarotan'izy ireo. Misy avy hatrany koa ny nihevitra fa tetika ampiadiana ny samy olona mihitsy no kinendry ao anatin'izao paika iray izao. Tsapako avy hatrany fa hisy sakoroka ihany koa eto.

Inona tokoa. Raha nihorakoraka tahaka ireny hoe ho tafiditra tao anaty tsena ireny ireo mpitolona dia nisyaloha ny fifanosehana teo ambavahady. Niala tany amin'izay ny fifampitorahana tapabiriky, vato, sezabory, seau sns... hazakazaka arahin-tosika ny an'ny mpanafika satria tsy nampoizin-dry zareo iny valibontana ay tamin'ny mpivarotry ny tsenan'ny Pochard iny. Nampaneno ny anjomarany avokoa ny fiara mbola nizotra tsimoramora tamin'iny lalana Ampanjaka Toera iny [anoloan'ny tsenan'ny Pochard mankeny anoloan'ny garan'i Soarano]. Teto izany dia olona samy olona mihitsy no nifampitoraka. Nadio vetivety ny teo amin'ny boulevard iray manontolo. Soa ihany fa tsy dia maro loatra ny zavatra azo nifampitorahana teto.



Nihemotra ny mpanafika. Nametraka fiarovan-tena vinaninany ny notafihina. Asa izay nanaraka ny vaovaon'ny TVM raha nahatsikaritra ny fifampitorahana miandahy miambavy nataon'ny andaniny sy ny ankilany fa tsy nisy fanazavana kosa aloha nataon'ny mpitantara. Izay teny Soarano no mahalala fa samy mpivarotra ireo nifampitoraka ireo.



Efa nivonona hamono lalana toy ny eto anilan'ny Magro Behoririka teto anefa ny CUA ho an'ireo mpivarotra amoron-dalana, efa vonona ny fefy saingy tsy nisy nankeny ihany ny mpivarotra amoron-dalana avy eo. Hatreo no hitako ka azoko tantaraina. Tamin'io fotoana io dia mbola tsy nisy Emmo-reg mihitsy teo amin'ny kianjan'ny 13 mey. Ny fitantaran'ny hafa moa no nilaza fa nandefasana baomba mandatsa-dranomaso ireo mpivarotra nitokona ireo raha nikasa hankeny amin'ity toerana ity. Tena toerana saropady tokoa ilay kianjan'ny 13 mey e! io ihany no arovana fatratra.


#hevitra:
Nanome fampitandremana mialoha ny fanapahan-kevitra henjana ho an'ireto mpivarotra amoron-dalana ireto ny tao amin'ny Kaominina ny talata. Ny an'ny mpivarotra amoron-dalana no tonga aloha ka ny kaominina indray no nahazo fampitandremana. Nokaramainao ireo hanotrona ny fitokonanao tamin'ny voalohan'ny taona ka dia nampianarinao hivondrona. Tafavondrona tokoa ry zareo izao ka manana hery na dia tsy ara-dalàna aza. Toa taratry ny zavamisy eto Madagasikara ny raharaha satria ny tsy ara-dalàna izao no manjaka. Tianao mbola hiampy anarivony hafa ve ny olona mety hahavita zavatra tsy ampoizina miaro ny hany fivelomany kely? Dia tena sahiny tokoa ve ny handrava ny fifanarahan'ny AGOA manana mpiasa aman'aliny eto Madagasikara? Tsy mankasitraka velively ny ataon'ny mpivarotra amoron-dalana aho saingy heveriko ho manamarika ny tantaran'i Madagasikara ihany ity hetsika iray ity ho fampisainana ny mpanao politika tia manome fampanantenana poak'aty. Saingy ny tsy mpanara-dalàna ihany ve no mahay mivondrona sy mahavita toy izao fa ny mpanara-dalàna sy ny mpandala ny ara-dalàna kosa mba manao ahoana?



jentilisa 03 desambra 2009 amin'ny 02:02

Pin's, bokotra ary insigne

2009-09-30 @ 11:14 in Andavanandro

Tany ampita andrefan'ny manodidina an'Alaotra iny ny tena, noho ny raharaham-pianakaviana, nanomboka ny zoma 25 septambra ka hatramin'ny alatsinainy 28 septambra koa aza tsiny indrindra raha heverinao ho elaela aho no tsy namaham-bolongana. Toa hafa ihany no nahazoana ny fandehan'ny raharaha tao amin'ny Firenena Mikambana (Misy lahatsoratra Global Voices teny anglisy nadikako ho teny malagasy rahateo ato) nandritra ny tontolon'ny Alakamisy sy ny Zoma tany lavitra tany.

Nanontany vaovao tamin'ny olona taty Antananarivo ny tena ny alin'ny Sabotsy, nanontany ny fandehan'ny raharaha, ary dia nitombina ny ahiahiko fa tsy hisy fivoriana vanona izany ao Mahamasina ao, fa mbola fandrika navelatra ihany iny. Natatatatako ho fanodikodinana ny sain'ny olona tsy hieritreritra izay hivory ao Ankorondrano Magro ireny toe-javatra ireny, sady izany rahateo no eritreritry ny nanatrika magro tamin'ny alakamisy nilaza ny tsy tokony ivoahana ny toerana intsony nihorakora-panoherana izany handeha toeran-kafa izany ny andro Sabotsy (Efa fisarahan-kevitra aloha izany!). Azo heverina ho nanaiky tsy sazoka fotsiny ny mpanatrika rehefa nanizingizina ny mpitarika fa efa ampelatanana ny taratasy fanekena hanaovana ilay fivoriana.

Nitantara ihany koa ilay olona nanontaniana fa henjana tokoa izao tenin'ny solontenan'i Kôngô tao amin'ny Firenena Mikambana izao nilaza ny solontena malagasy ho "sans qualité". Noheveriko fa tamin'ny alakamisy ihany no nisy tantara, hay hafa mihitsy ny tantaran'ny andro zoma ka tsy azoko ny resaka raha tsy tonga teto Antananarivo mihitsy aho. Ho tahaka ny ahoana re izany ny fahazoan'ny sarambambe Malagasy any ambanivohitra rehetra any raha izaho izay mpanaraka tsy tapaka ny vaovao aza no niala kely fotsiny dia very tanteraka?

Izay no ela fa hitodika any amin'ny lohatenin'ny lahatsoratra aho. Tohin'ilay fanentanana nataoko tamin'ny herinandroihany izy ity. Fomba iray hanehoana ampahibemaso sy an-dalambe ary any amin'ny birao sy ny toerana rehetra misy ahy ny fanoherako ny fanonganam-panjakana misy eto Madagasikara. Namakafaka hatrany izay tokony hatao ny tena hany ka nahita ity hevitra manaraka ity. Nanomboka ny talata 29-09-2009 aho dia mitondra pin's kely hatrany mipetaka amin'ny ankavian'ny akanjoko. Tsy maninona ilay pin's na maneho inona na maneho inona fa ny ao an'eritreritro raha mitondra io amin'ny toerana rehetra aho dia "manambara sy maneho amin'ny rehetra aho fa manohitra ny fanonganam- panjakana misy eto Madagasikara ary manohitra ihany koa ny herisetra amin'ny lafiny rehetra". Hevitro ahy manokana izay, koa raha resy lahatra ianao dia manaova toa ahy ihany koa. Rehefa pin's na insigne tsy voatery miresaka politika io fa mety no pin's an'ny orinasanao aza no atao amin'ny ankavian'ny akanjonao dia entinao maneho amin'ny manodidina anao io fa manohitra ny fanonganam-panjakana ianao ary miray fo amin'ireo izay mitolona isan'andro saingy mamita ny adidinao eo amin'ny fiainana an-davanandro.

Raha mbola mahamenatra anao kosa  ny fanaovana io dia tsy hitako intsony izay azo atao ho anao fa aleo mitsotra hoe efa mety amiko ny toe-draharaha amin'izao fotoana izao. Rehefa tsy manana pin's na insigne (toy ireny apetaka any ampiangonana ataon'ny sampana fitadiavam-bola ireny) dia ataovy bokotra tsotra izao zairina eo. Ampitampitao amin'ny namana sy ny mpitarika mihitsy aza izao hevitro izao fa tsy mahafantatra aloha aho hoe voarara an-dalambe ny fanaovana pin's e! Araho maso aho ary bedeso raha toa hitanao fa tsy mitondra pin's rehefa mifanena aminao.


jentilisa, 30 septambra 2009

P-S: 30 septambra 1895 : nitsangana ny saina fotsy teo Manjakamiadana. Resy ny tafika malagasy... koa hanangana ny saina fotsy ve ianao sa menatra ve ianao raha tsy mahasahy maneho ampahibemaso amin'ny fomba bitika dia bitika ny tsy fankasitrahanao ny fanonganam-panjakana?


Fa maninona mihitsy i Jentilisa?

2009-05-19 @ 22:26 in Andavanandro

Tratran'ny karazana hakamoana antsoina hoe miraviravy tanana aho amin'izao fotoana anoratako izao. Mba betsaka ihany anefa ny karazana fampaherezana ataon'ny namana isan-karazany na amin'ny fiainana andavanandro na an-tserasera. Tsy dia tratran'izany loatra ihany koa aho amin'ny ankapobeny fa dia azony aloha amin'izao fotoana izao.

Anarany aho no miala sasatra (noterena fa tsy voasazy tsy akory) tsy hiasa mba hananako fotoana bebe kokoa amin'ny fampitam-baovao an-tserasera saingy tena reraka tokoa angaha noho izay efa vita izay. Rehefa miasa any amin'ny asako andavanandro manko aho dia miasa 7 andro amin'ny fito andro. Tsy mino izany amin'ny ankapobeny izay tsy mahalala ny asako. Tena misy fiantraikany amin'ny toe-pahasalamana tokoa ilay izy raha ny fahatsapako azy amin'izao fotoana izao. Tsy mba manana izany andro alahady na asabotsy na andro fety igalabonana iarahana amin'ny fianakaviana izany ny tena, nefa tsy mifanaraka amin'izany akory ny karama... sady tsy mananjo hanana tambin-karama noho ny maha-andro tsy fiasana ny tena. Lasa olon-dratsy ny tena satria "ny adidy tsy an'olon-dratsy".

Ankehitriny, araka ny efa voasoratra etsy ambony, terena hanapitra ny "zonay amin'ny andro tsy iasanay rehetra izahay". Na dia ity taona ity aza dia tsy maintsy alaina avokoa. Ny ao ambadik'izany araka ny fahatsapako dia na handroaka mpiasa ny orinasa na hikatona ny orinasa afaka fotoana vitsivitsy. Na ho inona filaza azy na ho inona, misy dikany lehibe izany manapitra ny congé hatramin'ny taona 2009 izay diavina izany. Akory moa atao fa toa ny tena irery no tezitra fa ny sisan'izay samy miaro ny rambony tsy ho tapaka avokoa, nefa na izaho aza ve tsy mba tratran'izany ihany koa? Ao anatiko ao anefa manao hoe "izay te-hanavotra ny ainy no mahavery azy, fa izay mamery ny ainy...noho ny amiko... no hanavotra azy".

Ny mahavariana amin'ity tantara ity dia misy itovitovizany amin'izay mitranga ao amin'ny Telma ihany ny toe-javatra mihatra aminay. Efa hita tamin'ny haino aman-jery ihany manko fa mandroaka mpiasa maro ny ao amin'ity orinasa ity, nefa tsikaritry ny mpiasa fa mampiditra mpiasa vazaha hatrany koa ilay orinasa. Dia toa tahaka izany ihany koa ny fijeriko izay ato aminay. Tsy azo ampitomboina anefa ny fandaniana... noho izany, mba ho afaka mankaiza moa ny mpiasa malagasy kely?

Efa raisiko ho andraikitra izao soratako izao, tsy fanao velively fa mandika lalàna sy fitsipika maro nefa mba fanairana izay mpiasa mitsidika izany aterineto izany. Samy manana ny olany ny orinasa maro amin'izao fotoana izao ka samy mamaha azy araka izay tandrifiny. Efa maro ny mpiasa (eto Madagasikara) no efa mandray tapa-karama... ny fandaniana ataon'ny tena anefa tsy mihena raha miakatra kosa ny vidim-piainana. Misy aza moa (tafiditra amin'ity ny rahalahiko iray tampo amiko iray) no tsy mandray karama intsony na dia ariary aza, nefa manambady aman-janaka. Mitotongana ny fiainana e! Be aza ny mbola tsy voasoratra fa ireo rehetra ireo angamba no anisan'ny tena mahakivy ahy tanteraka amin'izao fotoana izao. Tolona sy avotra ity! Farany: Marihina fa tsy mitady fanampiana avy aminareo akory aho fa raha hanampy ianareo tsy trondro omena ahy fa harato na fintana!



Jentilisa, 20 mey 2009, amin'ny 00:27

Ny sombintenin'i Charles Andrianasoavina mitady an-d Raveloson Constant

2009-05-04 @ 21:46 in Andavanandro

Efa nisy nahare angamba ny nataon'ny miaramilan'ny Capsat nankeny Ankorondrano ny alatsinainy 4 mey 2009, raha ao tapitra kely foana ny fotoam-bavaka natao teny. Tamin'ny radio fahazavana moa no nakana ity soratra ity (miala tsiny aho fa tsy manana fahafahana mametraka ny teny amin'ny aterineto aloha amin'izao fotoana izao). Nahatratra roa minitra moa ny nakana feo azy koa vakio (fa tsy heo henoy) ny sombin'izay nolazaiko ka azo nohenoina, efa nesorina ny teny ratsy sy ny ompa hoy ny radio fahazavana.

Mbola tsy fantatra hoe aiza no halehanao iny raha tsy dia hoe hanao exil. Raveloson Constant (...) no resahiko. Menace de mort  ny anareo manao hoe ataovy amin'ny fanaovana azy ianareo anaovako amin'ny fanaovako azy. Mba ahitako an'izany menace de mort-n'i leiry izany... ilay olona anie raha (jokotra?) ... fa izaho mila Raveloson Constant. Teneno ry midi : se rendre  volontaire eny amin'ny tobinay eny Ambohibao (Fa iza kay no tadiavinao?) Izaho mitady Raveloson Constant. Be dia be ny anona, be dia be ny objet-ny mandat d'arret. Fa izaho mila Raveloson Constant. Cas plus particulier, ahitako le menace de mort-ny, Raha lehilahy izy tokony hifanatrika amiko. Qu'est-ce que je vais foutre avec satrobory? Heeinnn (mitovy amin'ny dein) c'est rien an! fa izaho mila Raveloson Constant. Rakotovazaha Olivier ve efa niseho koa? Mbola tsy niseho koa ve? Mba omeo an'ahy izy rangahy fa ilaiko ah! safosafoiko fotsiny izy fa tsy ataoko inona, izaho tsy hananona an'azy aho, tsy hamono azy aho, tsy hikapoka azy aho. Mifanatreha ianao fa mitady anao mafy izy. Interêt ho anao hoe ny mi-rejoindre eny emin'ny CNME eny Ambohibao. Raveloson constant! Raveloson Constant a interêt de rejoindre hi-se representer volontairement  la Commission National Mixte d'enquete d'Ambohibao, sinon il aura chaud. J'aimerais avoir Raveloson Constant entre mes deux mains. , Il a a interêt de se rejoindre CNME Ambohibao, sinon il aura chaud an!  Raha tratrako any amin'ny anona any iny dia vitan'ny kaofiboay iny an. Cette fois ci je le menace de mort iny fa tena misy declassement de peu (tena tsy azokoa aloha io teny io). Raha tsy te-ho maty any izy dia aleo interêt ho azy ny mi-rejoindre ery tonga dia atao any enquête dia izay anaovan'ny enquête azy any. Raha izaho cellule d'arrestation no mahazo azy dia il aura chaud. Dix fois plus que Theophile et Colonel Zakabe. Manandafy manko tsy nahazo. Rangahy iny efa 70. Izaho hatramin'izao mbola madio ity tanako ity fa tsy mbola nahafaty olona aho. Fa raha tadiavin-dRaveloson Constant ny hahafaty azy asaivo maka distance amiko koa izy. Azerako an'ity 7.62-ko ity mihitsy iny.

Araka ny hitanareo dia in-9 izy no nanonona ny anarana ravelosn Constant nandritra ny 2:16 nandrasam-peo ka nampitan'ny radio fahazavana azy. Mba inona loatra ary izao resaky ry zalahy tany ambadika izao?



jentilisa, 04 mey 2009 amin'ny 23: 47

Tolona vaovao: Ny ady amin'ny lainga

2009-04-28 @ 22:43 in Andavanandro

Mitohy ny tolona fa amin'ny endrika hafa, na mitsahatra aza ny eny an-dalambe noho ny tsy fitiavan'ny ankamaroan'ny mpanohana ny famerenana ny ara-dalàna sy ny fitsipahana ny fanjakana nalaina tamin-kery GIDRAGIDRA dia mbola manohy azy kosa ny tsirairay. Tahaka izany ny tenako amin'ny fampahalalam-baovao madinidinika ho an'ny rehetra eny. Tena tiana tokoa ny mijery baolina fandaka ary dia ady sahala samy tsy nisy nitoko moa iny ny Barça sy ny Chelsea, ady an-kafetsena ireny. Mankafy zavatra mahafinaritra rahateo ny tena.

Misy ihany moa ny zavatra adino tsindraindray ka tsara ihany ny mampita azy, fa eto an-toerana koa tsy diso anjara amin'ny fanarahana vaovao. Voalaza moa tany Antsirabe fa tsy nisy ny famorian'olona tany ny talata 28 avrily 2009. Resaka tamin'izay olom-pantatra hafa tany no nahalalana fa izay ry zareo tany vao nifanehatra tamin'izany baomba mandatsa-dranomaso maro dia maro sy ny baomba mankarenintsofina maro izany. Tanàna milamina sy mangina ihany manko i Antsirabe amin'ny ankapobeny. Ny talata raha feno miaramila ny manodidina ny tsangambato (gara hatrany moa no ilazan'ny olona azy) dia tany Tsarasaotra kosa ny mpanohana ny ara-dalàna no namory olona ary tany ry zareo tsy nisy nanelingelina. Re ihany koa fa nisy ireny andian-jatovo mpihantsy mpitandro filaminana ireny koa tany Antsirabe ka izay no tena niasan'ny mpitandro ny filaminana. Izaho kosa moa nanao hoe efa voarara manerana an'i Madagasikara ny fihetsiketsehana an-dalambe ka izany no baiko azon'ny miaramila. Nitomany noho ny tsipoapoakan'olon-dehibe avokoa moa ny mpianatra madinika tany, ary mbola tsy nianatra ny mpianatra io andron'ny talata io. Asa hanao ahoana angaha ny ho tohin'ny tolona amin'ny manaraka (ny fantatro dia tsy isan'andro no anaovana ny tolona any fa andro mifandimby).

Ny vaovao manaraka nolazain'ny vaovaon'ny matv kosa indray moa dia ny fisodisodiana nanodidina ny tranon'i Avoko, mpitarika ny ANAWI, nataon'ny mpitandro ny filaminana hatry ny andron'ny alatsinainy folakandro ka hatramin'ny talata folakandro. Miverimberina matetika eny ry zareo, ary araka ny voalaza aza moa dia efa nisy fotoana teny am-bavahady mihitsy ny miaramila no nisy niantso tampoka indray. Siosion-dresaka moa no mandeha fa tahaka ny ao anatin'ny lisitry ny ho minisitra ao amin'ny governemantan'ny ara-dalàna no antony saiky hisamborana azy fa tsy noho ny fanakianana mivaivay nataon'ny tamin'ny mpitondran'ny HAT tao amin'ny fandaharana "resabe" (matv isaky ny zoma alina) loatra. Mpanara-baovao iray moa no nihevitra fa noho ny fisian'ny ordres sy contre-ordres (tahaka ny tamin'ny nanenjehana an'i Andry TGV fony nanao ny tolony) no mahatonga io tsy fahafaha-manapa-kevitra hentitra amin'ny fisamborana an'i Avoko io. Endri-pitarafana ny fivakisan'ny miaramila ihany koa io fa tsy mivandravandra loatra.

Fa mitady ho adino moa ny anton-dresaka, ady amin'ny lainga no lohateny ary tena miroborobo mihitsy izy io amin'izao fotoana izao. Misy moa dia tsy manana henatra intsony amin'ny fampielezan-dainga fa sao mba mahavoa ihany ny goavy manta, sady ny ohabolana malagasy rahateo manambara fa ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra. Ny nampihomehy ahy dia, tsikaritra ahy manokana hatrany izy ity an, ny fitovitovizan'ny vaovao mivoaka amin'ny haino aman-jery amin'izao fotoana izao, sy ny olona hita isan'andro amin'ny raharaha mafampana rehetra. Rehefa misy ny fisamborana olona somary malazalaza na ambonimbony dia misy dian'asan'izany Komandà Charles Randrianasoavina izany hatrany ao. Efa nisy moa ny sehatra nampalaza ny lehilahy hany ka izay lazainy rehetra lasa tsy misy azo inoina intsony, zatra ny mamoro-marina moa izy (eritrereto ilay fomba filazako azy!) nefa tena mahafalyny mpanohana ny tetezamita kosa aloha ny zava-bitany e!

Ohatra iray ary: ny vaovaon'ny tvplus indray mandeha no nanambara ny fisaina bois de rose amina trano iray eny Amboanjobe, Antananarivo atsimondrano. Nambara fa avo nofain'ny zanaka lahin'ny mpiutondra teo aloha Josoa Ravalomanana io trano nanafenana hazo sarobidy io, ary tsy fantatry ny tompon-trano izay lehiben'ny faritanin'Antananarivo tamin'ny andron-dRatsiraka atoa Rolland Ramahatra, ny fisian'ireo entana ireo. Ny ampitso indray ny gazety malaza nanambara fa nofain'ny zanaka vavin'ny filoha teo aloha Sarah Ravalomanana io trano io vao telovolana lasa izay. Tsy fantatro aloha na i Josoa ihany no Sarah fa naman'ny zanaky ny tompon-trano koa manko ny zanaky ny filoha Ravalomanana. Gaga aho fa tsy dia nisy nanamarika moa io tsikaritra io. Ny niniana tsy nolazaina tamin'ity raharaha ity dia tsy nanonona mihitsy ny tvplus hoe an-dRolland Ramahatra ny trano. Manaraka izany, nahatrarana kamiaon'ny tiko sy 4*4 Prado iray koa teny, araka ny voalaza. Ny tsy nolazaina fa hita dia notaomina tamin'io kamiao io ireo hazo ireo (mazava loatra fa na tany ihany ny lakile na efa misy moa ny mahay mampandefa fiara tsy ilàna lakile e!) ary dia tsy fantatro intsony aloha izay nandehan'ny entana kosa avy eo.

Tsikaritra hafa ihany koa, vao jerena kosa aloha ilay Ralitera Andrianandraina, talen'ny fiarovana Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana, dia hita mihitsy hoe taizan'aretina ary hita fa tsy ho afaka ny hahery fihetsika intsony ihany koa. Mitady olona ampangaina fotsiny ry Komandà Charles ary dia afatratra any amin'io olona ampangaina io avokoa ny rihitra. Rehefa be loatra ny marina foronina dia vao maika mampitombo ny tsi-finoana izany. Ny tsikaritro anankiray dia ilay pasipaoro nosaronana taratasy hafa ny anaran'olona teo ary natao ngeza be avy eo ny anarana hoe RALITERA (sorabaventy sady lehibe)... asa inona angaha ny porofo tiana avoka amin'io pasipaoro io? Atsasaka segondra no nahitako io tamin'ny vaovaon'ny tvplus sangy maso manety ny aty ka tsy maintsy mampivandravandra ny tadiavina tsy holazalazaina amin'olona (vaovao alatsinainy 27 avrily 2009 no nisy an'io).

Lasa ny eritreritro avy eo hoe, matoa nahasahy nankeny Ambohidahy anoloan'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana hatrany ny mandala ny ara-dalàna dia efa fantany mazava tsara fa tsy hitifitra azy velively ny miaramila tao amin'io toerana io. Eritreritra fotsiny ny ahy ny hoe mety ho efa nahazo baiko hitifitra ny miaramila tao fa tsy nisy nety nanatontosa izany baiko izany, dia izay no nahatezitra ny mpanome baiko sy nahatonga ny fanafihana... saingy eritreritra ihany aloha ny ahy izany fa tsy voatery ho marina na tsy voatery ho diso avy hatrany.

Faramparany, misy ny kivy fa toa nangina ny radio na dia efa nisy aza ny fiovana fantsona handrenesana azy, izaho kosa mieritreritra fa niniana nampanginina mihitsy izy mba hanarahan'ny mpitolona ny toromarika amin'ny manaraka. Hoy moa aho hoe namitsahatra aza ny fihetsiketsehana dia mitohy ny tolona ataoko manambara mandrakariva ny marina hitako sy reko ka atokisako kokoa ny fahamarinany.



jentilisa, alarobia 29 avrily 2009 amin'ny 00: 43

Fandrobana isaky ny mahazo vahana ny TGV sy ny baraziny

2009-03-09 @ 21:53 in Andavanandro

Efa tsy takona afenina intsony. Vao nisy ny fiokoana miaramila milaza fa "miaraka amin'ny vahoaka" ka nampiseho ny talentany teny Ankadimbahoaka ny mpioko dia fandrobana ny score sy ny leader price avy hatrany no tao an-tsaiko omaly iny. Tsy te-hanoratra izay mihitsy aho omaly fandrao lazaina fa izaho no nampirisika, nitombina tanteraka ny ahiahiko fa ny Francepub sy ny Jumbo score ary ny courts mbamin'ny SFOI no tratra fa mba tsy vita kosa i Leader Price. Inona no nitranga? natsangana ny barazy hanakanana izay tsy fantatra fa ny tena tanjona voalohany dia ny hakana vola izay mandalo amin'ny fiara rehetra. Nanararaotra ny fisarahan'ny mpitandro ny filaminana ry zalahy dia nataony izay tiany. Mbola sahy mampirisika ny hananganana ny barazy ihany etsy ankilan'izany atoa Alain Ramaroson fa izany, hono, no antoka tokana hanakanana ny fandrobana... nefa moa efa lasa mivandravandra ho an'ny rehetra hoe avy amin'iza no tena mpamaky ny tranombarotra horobaina.

Koa satria tsy handray andraikitra ny mpitandro ny filaminana amin'izao fandrobana mahatsiravina, 26 janoary 2009-bis notontosaina androany 9 martsa 2009 izao, dia niantso ny mpanohana ny ara-dalàna sy tsy manaiky ny hisian'ny barazy arahina fandrobana ny tao amin'ny radio mada. Nolazaina ho nanomboka tamin'ny 11 moa ny antso, izay vao natao io hadiva ho atoandro io ka tampoka ihany dia nahazo olona ihany ny teny Mahamasina nanomboka tamin'ny 2 ora teo. Nahavariana moa fa tsy sahy nitsofoka lalina tany akaikikaiky tany ny mpanao gazety fa natahotra ny ho  voadaroka angamba. Ny an'ny mpanohana ny TGV kosa moa dia ilay efa araka ny nosoratako teo ihany, tsy misy  afa-tsy ny fanavoana barazy efa fitakiam-bola sy arahina fandrobana ihany no entiny hanoherana ny fandrobana. Samy manana ny heviny tokoa aloha.

Fa karazany tahaka ny ahoana ny tena nivorian'ny mpitady filaminana tetsy Mahamasina? toromarika ny teny ka tsy hitako loatra izay lazaina, na ny marina kokoa dia tsy afa-nankeny aho noho ny asako, ny vokany fotsiny no nisy henoko. Nandrava barazy teny Tsarafaritra Tsimbazaza ny mpanohana an-dRavalomanana araka ny filaza azy, nafana tokoa ny fifampitorahana, fa manana miaramila mitam-basy miaraka aminy ny mpanao barazy ary nalaza avy hatrany fa tamy ihany koa ny avy any amin'ny Capsat (mpioko) hanohitra an-kery ireto mpandrava barazy ireto. Dia lasa ny saiko... hiaro ny vahoaka tokoa ve? be loatra ve ny fampihorohoroana ny vahoaka? leon'ny fandatsahan-dra ve? toa tsy izany mihitsy no tsapako amin'ireto miaramila ireto. Samy mitsara koa ny tsirairay.

Na izany na tsy izany, lasa fakantahaka tampoka teo ny fokontany 67ha avaratra andrefana (aleo lazaina amin'izay fa efa nisy gazety nilaza tsinona) tsy manaiky na oviana na oviana izany barazy izany. Ka mahatonga ny faritra manodidina tsy ahitana izany barazy izany. Angamba tiana ny hampielezana ny "andrimasom-pokonolona tsy manaiky ny isiana barazy" manerana an'Antananarivo koa dia izay aloha no atao. Tsarovy anefa, ny eto aminay tsy misy idirana fanohanana olona fa tsy fanekena barazy fitakian'ny jiolahimboto vola no iraisana. Ataoko fa tsy mahavita ary tsy hanao izany ny mpanohana ny TGV satria handroba minisitera aza mety hatao raha vonona ny olony. Asa izay ho fipoaky ny ampitso aloha fa mihamafana ny toe-draharaha... tsy mahalala izay fahasahiranan'ny any ambony any fa fiarovana ny sisa mijoro tamin'ny fandalovan'ny rivodoza olombelona masiaka eto Antananarivo no nijoroan'ny teny Mahamasina.

Mialoha ny farany, na eo aza anefa izany fahavononana izany, samihafa ny mandeha an-tongotra sy ny mandeha fiara. Ny tany amin'ny score digue sy ny shoprite Talatamaty indray no novakian-dry lemaizina ny tolakandron'ity andro ity. Tena potehina Antananarivo sy ny toe-karenany e! Tsy azoko mihitsy indraindray ny mbola mahatonga ny hafa mbola mifikitra amin'ilay toe-tsaina te-handroba sy ny fanao mirona mandrakariva amin'ny fandrobana. Mbola aiza izany raha sanatria hitondra ny firenena?

Farany, faly aho fa maro tamin'ny sosokevitra nosoratako tany alohaloha tany no noraisin'ny fanapahan-kevitry ny fanelanelanana teny Ambohimanambola Le Hintsy ka ny roa tononiko tsara dia ny "Fiarovana an'i Andry Rajoelina" sy ny "Fanaovana fihaonambem-pirenena amin'ity volana martsa ity" ka hotanterahina indrindra izany amin'ny 12-14 martsa ho avy izao. Kisendrasendra ve sa nisy tamin'izy ireo ny namaky ny bolongako? Na izany na tsy izany, manana fifaliana anaty avy amin'izany fanapahan-kevitra izany aho.


jentilisa, alatsinainy 9 martsa 2009  amin'ny 23: 53

Nisy tantarany ny rotaka teto 67ha ny sabotsy 7 marsa 2009 teo

2009-03-07 @ 22:38 in Andavanandro

Mety ho variana isika tamin'izay mety ho fifampitorahana teo amin'ny mponin'i 67ha avaratra sy ny mpanao fihetsiketsehana ny 7 marsa 2009. hiezaka aho ny hanao fohy ny resaka mba tsy hahamonamoaina loatra, fantatrareo ihany ny fombako tsinona. Rehefa tsy navela hanao fihetsiketsehana teo amin'ny kianjan'ny 13 mey ny mpitokona nanomboka ny alarobia 4 martsa 2009 dia nisy ny  fifanandrinana teo amin'ny mpitandro ny filaminana sy ny tanora mafana fo tamin'ny mpanao fihetsiketsehana nanodidina an'Analakely, toy ny teo Behoririka sy Soarano ary petite vitesse sy Ambohijatovo.

Ny ampitso (alakamisy 5 martsa 2009) dia tsy ny fakana an'Analakely intsony no nahamaika ny mpanao fihetsiketsehana fa ny hanaparitaka ny barazy manerana ny tanàna. Izany no natao dia ny mba hiparitahan'ny Emmo nat, ka rehefa mety hiparitaka nefa ahiana tsy ho ampy isa dia mety ho resy tosika ho azy. Nahay niparitaka tsara anefa ny Emmo nat ka tsy nampoizin'ny mpanao barazy ny halakin'ny fahatongavan'ny mpitandro ny filaminana. Tsorina fa betsaka ny faritra nametrahan'ny sasany barazy no vetivety dia rava tongavan'ny Emmo nat. Ny tena nafana vay indrindra tamin'ity andro ity dia ny teny amin'ny lalam-baovaon'Ankazomanga izay nahazoan-dry zalahy tao amin'ny Emmo nat nefa tsy nanana fiara handraofana ny azo ry zalahy. Tamin'ny alalan'ny 4X4 pick up manko no nandehanan'ny mpitandro ny filaminana, ary ny mahagaga ahy dia avy any amin'ny faritra tsy ampoizin'ny mpanao barazy hatrany amin'ny ankapobeny no ahatongavan'ny mpanao fihetsikatsehana. Rehefa nisy noho izany ny tratra nefa tsy tonga tany ny fiarabe mpitondra ny azo sambobelona vitsivitsy dia nakipilin-dry zalahy any anaty tatatra lehibe ireo tratra ireo, ny kendren'ny mpitandro ny filaminana dia ny hahakotsan'ny ranondolana an-dry zalahy tratra ireto. Nisy ny nahay niala ka tsy kotsa ny akanjony nefa dia noteren'ny mpitandro ny filaminana handena ny volony amin'ny rano. Valifatin'ny mpitandro ny filaminana no nanaovany izany.

Nifanenjika nanerana ny tanàna hatrany anefa ny mpanao barazy sy ny mpitandro ny filaminana, ny mpanao barazy moa mitaky vola amin'ny mpitondra fiara ka izay mahasahy mandà tsy manome vola dia vakiany fitaratra avy hatrany, maro dia maro ry zareo mandritra izany fotoana izany. Nitranga izany hatreny Talatamaty, Imerinafovoany, Ankazomanga vao nolazaina teo, 67ha, Ankorahotra, Ambanidia sns... ary izy rehetra ireo dia samy mitonona ho Andrimasom-pokonolona avokoa. Maro noho izany no tsy nitondra fiarany teto an-tanàna ka toy ny andro alahady hatrany ny tanàna. Tsy mijanona amin'ny toerana iray mihitsy noho izany ny mpandroba fa mivezivezy mandrakariva. Nisy ary ireo mpandroba nifanenjehana  nanerana ny lalan'Ampefiloha, mandalo an'Andavamamba, Tanambao, Ambodin'isotry sy 67ha.

Nisy noho izany tamin'ity andron'ny alakamisy 5 martsa 2009 ity ny mpandroba nandrahona ny taty amin'ny 67ha avaratra misy anay, mitady izay ho TIM hoe ry zareo hifampitana aminy. Nanafika ny sisiny atsimo indrindra tamin'ny fokontany nisy anay ary ry zalahy tokony ho tamin'ny 6 ora sy sasany hariva teo ho eo. Resy tosika aloha ny tanora tamin'ireo faritra notafihiny ireo ka niantso fanampiana tamin'ny quartier hafa ry zareo. Nirohotra ny maro tamin'ny vatandehilahy... tsy anavahana io na TIM na TGV hanifika ireto mpandroba ireto. Resy tosika ry zalahy (efa fantatra rahateo fa ny hamaky magazay no tanjony tsinona) nefa nandrahona fa hamaly faty ny ampitso (zoma). Mbola tafajanona tany amin'iny faritry ny arabe roa (manoloana ny Ny Havana) iny ihany anefa ireto mpandroba ireto nanakan-dalana. Efa ren'ny vatan-dehilahy teto amin'ny fokontany nifanandrina taminy ilay fandrahonana hamaly faty, sady haka namana hafa, koa dia nifanome toromarika hifankafantarana ny mponina rehetra, miala tsiny aho fa tsy azoko lazaina anareo ilay fifamantarana ho fiarovana ny fokontaninay. Efa nivonona ihany koa fa rehefa tonga ny fanairana dia mirohotra avokoa indray.

Tonga ny ampitso zoma 6 martsa 2009, efa niandry izay mety ho fiavian'ny "TGV" (miala tsiny aho fa izay tsinona no anarana nentin'ny mpanafika ny fokontaninay) ny teto an-tanàna. Kanjo moa tsy tonga mihitsy ry zalahy fa sahirana niandry ny tranon'ny lehibeny teny Ambatobe angamba koa dia niandry vasoka ny teto an-tanàna. Tena hivaona kely indray aho, nanao ahoana tokoa ny teny Ambatobe. Ny nalaza moa dia ny fiantsoana ny "andrimasom-pokonolona" hiaro ny tranon'ny lehiben'ny governemantam-pikomiana satria saika hisy hisambotra hoe ny mpitondra avo ny alin'ny alakamisy 5 martsa hifoha zoma 6 martsa, ny Emmo nat (4X4 pick up) niaraka tamin'ny fiaraben'ny Samva (sampana misahana ny fandraofana fako eto Antananarivo) roa moa nandeha tamin'iny lalan'Ambatobe iny. Tsy tonga hisambotra olona izany fa hanala ny fanariam-pako lehibe lasa fanaovan-dry zalahy barazy no anton-dian-dry zareo. Tsy nahomby moa izany fa tavela ireo fiarabe roa noho ny fahavononan'ny mpiambina an'i Andry hifampitifitra amin'ny alalan'ny basy izay mitady hanafika azy. Hany herin'ny tao anaty pick up (Emmo nat) niala ny faritra. Hitantsika ao amin'ny sobika moa ny niafaran'ireo fiarabe roa an'ny Kaominina fa nangalarana piesy sy nodorana ireo fiara ireo (ka ny "TGV" no nandoro azy na dia fantatra aza fa fananam-panjakana ireny... mahatsapa tena ve ry zareo fa tsy hitantana an'Antananarivo intsony matoa nodorana ireo fiarabe roa ireo?

Ny atoandro moa  dia tsy ny hisambotra an'i Andry hatrany no iraka nampanaovina indray ny Emmo nat fa ny hanavotra ireo ankizy mpianatra tao amin'ny lisea frantsay. Nafana dia nafana ny fifandonana hatreny Andranobevava, Analamahitsy, Ambatobe nefa amin'ny mahaatoandro ny andro tsy maintsy natao izay hahatontosa ny iraka fa tsy handamoka toy ny alina teo indray. Eto no tsy mazava, tsy niantso ny Emmo nat ve ny tao amin'ny lisea (mba ahafahan'ny mpitandro filaminana frantsay miditra eto Madagasikara raha tsy nahomby teo ny asam-panavotana) satria nitady fifanarahana tamin'ireo mpanao barazy izay tsy namela ny mpianatra sy ny mpampianatra tao amin'ny lisea raha tsy mametraka kely (manome vola ny dikan'izany ho an'izay tsy mahalala tahaka ahy!). Ny nahavariana manko dia maro ireo mpitati-baovao frantsay no tsy nanisy teny mihitsy izay nataon'ny Emmo nat, tsy tao anatin'ny paika angamba ilay fahombiazan'ny mpitandro ny filaminana malagasy. Nasiaka tamin'ny alalan'ny tora-bato sy cocktail molotov manko ny mpiandry ny tanàna nefa dia resy tosika ihany sady nisy voasambotra aza.

Tonga ny sabotsy 7 martsa, hanao diabe hoe ry TGV ka dia nataony tokoa izany, niainga tany Ankatso tany ny iray kanefa voasakana teo anoloan'ny mascotte (Antsahabe). Raikitra ihany koa ny saiky hiakatra hatreny Ambohidahy saingy voasakana teo anoloan'ny faritany ireo mpitondra tenyn'ny mpanao fihetsiketsehana, somary lavidavitra ihany manko ny ankamaroan'ny mpanao fihetsiketsehana. Toa ireto no nandeha tety amin'ny faritry 67ha manoloana ny Ny Havana. Niaraka tamin'ny tabataba moa izy ireto ka nanaitra ny mponin'i 67ha nisy anay. Velona ny fanairana, lasa izao. Fahadisoana hatrany hoy aho matetika ny fandalovan'ny mpanao fihetsiketsehana faritra iray ao anatin'ny maha andro tsena azy indrindra. Tsy mahagaga raha misy maromaro indray no voaroba vetivety teo ireo mpanao tsena Asabotsy aty. Azo noheverina fa nilamina ihany ny mpanao fihetsikatsehana kanjo nahazo tora-bato vetivety teo ry zareo. Velona amin'izay ny fifampitorahana, raha nojerena maimaika dia maro an'isa kokoa ny TGV noho ny mpiaro ny fokontaniny tsy ho voaroba. Samy tsy nisy niala mihitsy ny roa tonta (izahay mponin'i 67ha avaratra misy anay) sy ny mpanao fihetsiketsehana mety ho tsy nahalala akory izay handefasana azy aty 67ha (Valifatin'ilay resy tosika tamin'ny alakamisy). Marihina fa maro tamin'ny mponin'i 67ha no nifidy TGV ary mpanohana mafana fo tamin'izany ilay notonintononin'ny Viva ho lohan'ny "gros bras" (Ra-bidon... efa nitantara ity ranamana ity aho ho an'izay efa nanaraka ny bolongako hatry ny ela) nanampy ny Emmo nat saingy tsy manaiky kosa ny hanafihana sy handrobana ny fokontaniny. Rehefa ela nifampitana teo ny roa tonta dia nanapoaka basy tampoka ilay zandary mipetraka eto amin'ny fokontany ihany koa saingy nanao fanamiana sivily sy miaro ny fokontaniny, ka nampirifatra ireo "mpanafika" ka nitabataban'ny radio sasany fa nisy fizarana basy tety amin'ny tanàna hifamonoan'ny samy Malagasy.

Efa ho ora iray taty aorian'ny fifanandrinana kosa ny Emmo nat vao tonga, tena jenitra tokoa ry zalahy avy any, ka nampirifatra ny TGV hafa rehetra 'izany hoe ny saiky hanafika sy ireo tsy mahalala akory sy mety ho nihevitra ho nosotasotaina.' Ny tena nampihomehy tamin'ity tantara ity dia tsy fahalalan'ny tao amin'ny Viva ny olony, ka nandrisika ihany koa ny tao hoe tsy namantsika ireo nisotasota mitady handroba ireo ka... tena tsy tadidiko ny tohiny fa mety hifandraika amin'ny hoe sambory mihitsy ohatra. Andeha atao hoe mety ho nisy tamin'ny mpitolona tokoa ny nitady filaminana anatin'ity andro iray ihetsehana ity saingy tsy mahalala ny andefasana azy taty 67ha. Mazava loatra fa mety ho niteraka lonilony hafa koa izany noho ny tsy nahalalany ilay valifaty nokasaina hatao amin'ny fokontaninay. Nahita ny fanoherana mivaivay nataonay ihany koa ilay fokontany 67ha avaratra mifanila aminay ka nanampy anay ihany koa, ary nanala ny vato rehetra notadiavina atao sakana hakana vola ny mpitondra fiara eny an'arabe. Tafavondrona hanohitra ny barazy tampoka teo ny taty amin'ny 67ha avaratra manontolo tamin'ity andron'ny sabotsy 7 martsa ity. Lasa nanao ilay marika fifankafantarana ihany koa ry zareo (tsy fantatro mazava aloha hoe ambaratonga hatraiza no tena nanapa-kevitra tamin'ity marika fifankafantarana ity satrai taratara hatrany aho vao tonga taty an-tanàna.


jentilisa, alahady 8 martsa 2009 tamin'ny 00:36 ora maraina

Ahoana indray ny aty mandra-piandry ny ampitso sy mbola misy ve ny FFKM?

2009-02-01 @ 22:00 in Andavanandro

Efa miomana avokoa ny rehetra mandra-pahatongan'ny rahampitso. Samy manana ny fiomanany. Raha nody aho ny zoma alina teo dia maromaro ihany ny toera-mpivarotana somary ngezangeza ao afovoan-tanàna tahaka an'i Behoririka sy Antanimena iny no manao varavarana maro sosona, na ny marina kokoa mamono tanteraka ny varavarany. Ahoana moa izany?

Efa nahita ny hakingan'ny mpitarika ny fandrobana avokoa izay somary naharaka fa toy ny tsinontsinona na dia ireny varavarana vy, na misokatra amin'ny tolana ankavia sy ankavanana izany na ireny vita vahiny akatona avy any ambony hidina mankany ambany ireny. Efa katrokatroka tokoa angaha moa no atao ka tsy miraharaha sao misy mandre. Ankehitriny efa miomana ny tsy hivarotra mandritra ny fotoana maharitra ny ankamaroan'izy ireny mahita ny toe-draharaha eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. "Souder"-na fefy vy mihitsy ireo varavarana ka rehefa milamina mihitsy ny tanàna (oviana moa izany? rehefa mifampihazohazo tsy mifanantona ny roa tonta tokony hamita azy haingana izay mahavita, nefa indrisy fa tsy maintsy hisy aina afoy ve amin'izany?) vao esorina ireny fefy vy ireny.

Etsy ankilan'izany dia maromaro ihany ireo olona lazaina hoe sahirana no mivorivory na mipetrapetraka na matoritory ampitan'ireny toeram-pivarotana mbola tsy vaky tamin'ny herinandro ireny... Manantena an-dry zalahy "mpamoha trano" nefa tsy haka na inona na inona akory fa mandoro izay fivarotana avy norobain'ireo madinika ireo fotsiny avy eo, ireny no toa andrasany toy ny Mesia... indrisy... tena potika tanteraka ny toe-tsain'ny maro amin'izy ireny. Tena tafiditra lalina tamin'ny maro amin'izy ireo, araka ny tombana nataoko, ny zo hangalatra sy hamaky trano fivarotana satria noana sy ratsy na tsy misy trano ipetrahana. Ohatra iray ny tabataba miaraka amin'ny teny ratsy sy ompa tsy tafala anaty resaka, teo akaikin'ny toeram-piasako nataona lehilahy iray nanao hoe: "Ordinateur" ve no nangalarina dia tadiavin-dry zalahy hogadraina? Nefa "ordinateur" tsy misy dikany iny! Ankona avokoa ireo hafa niady hevitra taminy... matetika moa ny avo vava sy mampiseho hatezerana hatrany no manana ny rariny rehefa amin'ny fotoana tahaka ireny.

Noho ny fandranitana sy ny fandragitana iainana isan'andro avy amin'ny fampielezam-peo ve fa efa mora taitran'ny vava tsy ambina ny olona amin'izao fotoana izao. Tany amin'ny fiara fitarerana iray (119 mazda hiala an'i 67ha) dia nisy lehilahy iray nipetraka eo amin'ny seza azo atsangana manakaiky ny varavarambe fandalovan'ny olona hipetraka any aoriana satria toerana akaiky hoe no itodiany (Andavamamba). Misy ary olona iray te-hitsofoka any aoriana any, niteny azy ilay mpampandroso hoe mba mitsangàna aza fady ramose hidiran'ny olona raha tsy hifindra any aoriana ianao... fa tsy nety ny anao lahy sady tsy namaly akory izy. Namerina niteny ilay mpampandroso olona fa novaliany boraingona amin'izay maninona raha eo aloha eo amin'ny seza volamena... nefa ny seza any aoriana amin'io mbola malalaka be. Mba tsy mety kosa izany, hoy ilay mpampandroso; tonga dia avo vava sy nanompaompa amin'izay ranamana nitsangana niala ny fiara ary nahateny hoe "dorako eo io fiara io!". Taitra ny saofera teo akaiky teo ka nanao hoe: "avereno hoe ny vavanao?", naveriny mafimafy kokoa hoe "dorako eo io fiara io!". Tsitapitapitr'izay fa feno olona nanodidina an-dranamana (tsy maintsy hoe ny mpanera no maro amin'ireo) ka niteny ny iray nanao hoe: "Ingahy izany no atao sorona!" Nahita ny zaa-niseho ranamana fa nitsorika nitsoaka tany anaty olona haingana...

Mahavariana ihany koa tamin'ny zoma ilay nodiako efa notantaraiko tery ambony iny ohatra fa lasa misy manao azy ho matanjaka izany ny sasany. Nitondra elo moa izaho nody tamin'io fotoana io satria fahavaratra rahateo ny andro. Indreo misy tokony ho enin-dahy eo ho eo manery ny lalana (elakela-trano) mitabataba toy ny azy ireo irery ny lalana amin'io fotoana io. Bokobokony mihitsy ny roa amin'izy ireo. Hifanena amin-dry zalahy aho amin'io ary sendra nentiko toy ny filanjana basy an-tsoroka iny indrindra ny elobeko. Somary maizina ihany moa ny andro fa hita ho tsy handefitra hanome lalana ry zalahy fa toa manery ny mifanena aminy hitampify manara-drindrina. Tsy nampidiriko tao an-tsaiko mihitsy ny hoe "mpanendaka" ry zalahy ireto fa sady tsy nihemotra aho no tsy nanao amboletra nefa nisisika teo afovoan-dry zalahy rehefa nifandona tamin-dry zalahy bokony roa teo aloha... tena hitako nisy niherika mihitsy ry zalahy nanaraka avy eo no tsy nahateny afa-tsy hoe "Oay le...!" Ny ahy ny lalako no notohizako sady tsy niherika akory aho, efa mpody alina rahateo aho. Indraindray ilaina ihany ilay fahasahiana kely fa mety ho azavatra hafa kokoa no nahazo raha nihemotra teo, ka heveriny fa "voatsindry" ianao.

Resaka fahasahiana ihany, hitako tena sahy mihitsy ry zalahy "kômandô" nandroaka ny "sono" sy ny seza sasantsasany teny amin'ny 13 mey tamin'ny Asabotsy teo iny. Tsipalotro tamin'ny fahitalavitra mihitsy ny fitsoahan'ny olona efa tonga teo rehefa tonga ry zalahy ka anisany ny "securité civile" maro efa teny an-toerana. Tena tratran'ny tampoka tokoa angaha ny olona fa noporofoin'ny Commando tamin'io fotoana io fa azony noravana tanteraka ny fivoriana teny raha tiany izany. Manao ramatahora fotsiny ireny, hoy ny mpanao gazety nanentana sy avo vava, satria "tsy hitifitra mihitsy" (hay fantany izany?) ka toy ny mandrisika ny olona hivory aza 'tena marina tokoa aloah izay fomba fihevitra izay eo amin'ny Malagasy olon'ny fo). Hitako tena "malemy" kosa ireo tena avy amin'ny "Emmo nat" ka nanaiky hiverin-dalana noho ny rodorodon-dry zalahy "mbola vitsy" tamin'ny nahatongavany tokony ho tamin'ny folo ora teo ho eo.

Fahadisoana lehibe kosa araka ny fijeriko manokana ny antso nataon'ny minisitry ny fampianarana milaza fa mianatra avokoa ny mpianatra amin'ny sekolim-panjakana rahampitso alatsinainy, afa-tsy hoe efa misy miaramila mahambina azy tsara angaha, nefa mbola tsy hitombina mihitsy ny sain'ny mpianatra sy ny mpampianatra raha tamy manatona azy amin'ny kiririoka ny "mpandrava". Mety ihany koa ho teti-panorona hamiliana ny mety ho "fanafihana" ny minisitera rahampitso... nefa hay moa mbola tsy tafatsangana ny minisitera tetezamita fa mety mbola ny hanonona izany no hataony rahampitso fa andro manaraka ny "fanafihana". Efa nanome baiko moa ny "mpitondra tetezamita" fa mikatona avokoa ny minisitera rehetra rahampitso alatsinainy, ka omeny taratasy na didy fampisamborana izay mpiasa mbola mitonatonana any amin'ny minisitera any (aza mikaroka fa tsy ho hitanao ao amin'ny kabarin'i Andry Rajoelina napetrak'i Jeannot Ramambazafy ao amin'i Iarivo-town izany fa henonay tsara kosa). Tena nanaitra ahy mihitsy io teny io satria ny tao an-tsaiko voalohany dia hoe: "mampigadra hay ny miasa ry zalahy!"... angamba teny nibolisatra iny ka izay no tsy nampidiran'ny mpanao gazety azy.

Mandeha antsisitsisiny eny ihany moa ny resaka izay mety ho fanaovana ramatahora hatrany. Any Toamasina, dia notetezin'ny miaramila avokoa ny trano hazo manodidina ny seranan-tsambo nanoroany hevitra ireo olona ireo hitady fialofana hafa satria tsy haharo amin'ny bala mihitsy ny rindrina hazo, trano manana rindrina vato na beton izany no hisitrihana. Malazalaza manko fa mety hisy ny fanafihana ny seranana rahampitso ka efa nahazo baiko ny mpitandro ny filaminana rehetra fa tsy misy sangy intsony ity, tsy maintsy arovana amin'ny fomba rehetra ny seranana na iza ho avy eo na iza.  

Farany nefa dia ao anaty lohateny mazava tsara, nisy fotoam-bavaka ho an'ny firenena notontosain'ny FFKM tao amin'ny FJKM Isotry Fitiavana androany alahady 1 febroary 2009 nanomboka tamin'ny 3 ora tolakandro. Feno tokoa ny Fiangonana saingy voamarika mazava tsara ny tsy fisian'ny mpitondra fivavahana katolika tery amin'ny polipitra. Marina fa nanokana Eveka tany Toamasina ny Katolika androany nefa mahasanganehana ihany ny tsy nahitana na dia iray aza avy amin'ny katolika amin'ny raharaha toy itony. Manomboka miala amin'ny fampiraisan'ny FFKM ve ny EKAR izay andry iray lehibe tokoa amin'ity fiombonana ity? Mbola azo lazaina hoe FFKM ve ny FFKM raha tsy eo intsony ny EKAR... Naninona raha natao fotsiny hoe FFPM raha tsy teo ny Katolika? sa lasa voailika ho azy ve ny Anglikana? Raha mitohy izao fahabangan'ny EKAR izao ao amin'ny FFKM dia tsy ho ela intsony ny hitovian'endriky ny FFKM amin'ny COE manerantany (Fiombonam-ben'ny fiangonana rehetra manerantany ankoatra ny ECAR sy ny Orthodox sasantsasany raha tsy diso aho... ka mandrafitra ny atao hoe protestanta amin'ny ankapobeny izay misy ny Pentekotista sy ny Adantista ihany koa). Saiky nanatrika io fotoana io moa ny ankamaroan'ny mpitondra ara-dalàna amin'izao fotoana izao fa tsy hita na tsy nasehon'ny manao gazety nojerena kosa ny avy amin'ny "tetezamita"... na izaho mihitsy no tsy mahalala an-dry zalahy.



jentilisa, 01 febroary 2009

Lasan'ny TGV angaha ny jirama? sy ekena ny 11 janoary saingy...

2009-01-08 @ 11:27 in Andavanandro

Gaga aho raha nandray ny faktioran'ny Jirama androany fa ny lokony no nanaitra ahy voalohany. Jereo anie:

Tsy fahotana velively na lasany aza, mety ho izay koa no mba tian'ny mpitondra. Fa mahavariana ihany na dia izany aza amin'izao toe-draharaha heverina ho mafana izao. Ny loko mavokely no loko namantarana ny Jirama hatrizay. Hiova ho manga antitra ve izy sa hampiaraka ny manga antitra sy ny mavokely izay loko famantarana ny fikambanana TGV rahateo? Ny ho avy no hanambara azy.

Vaovao hafa ankoatra izany, nanambara ny lehiben'ny faritra Analamanga sy ny Prefen'Antananarivo renivohitra amin'ny fotoam-pivavahana tian'ny Kaominina Antananarivo renivohitra hotontosaina fa ekeny no hanaovana izany, saingy anaty trano... mba hahamora ny fandaminana sy hisamborana ireo gadra nandositra izay mety hanakorontana anaty vahoaka amin'ireny fivoriana ankalamanjana ireny. Efa mananontanona ho'aho ny fifandonana.

Zavatra iray hafa ihany koa, nifanontona ny fifampiarahabana nahatratra ny taona eny Iavoloha sy ny karakarain'ny Kaominina Antananarivo renivohitra amin'ny zoma (rahampitso) 9 janoary 2009 ho avy izao ka ahiana ny tsy hahatongavan'ny Ben'ny tanàna any Iavoloha indray. Gazety hafa anefa no nanambara fa saiky notontosaina omaly io fifampiarahabana tao amin'ny Kaominina Antananarivo io fa (izaho indray no manohy) mba ho fialana bala tsy hahatongavan'i Andry Rajoelina any Iavoloha dia aleo hahemotra rahampitso izy io. Tena tokony hosolàna ilay Ben'ny tanànanay fa ahiako misy mitondra amin'ny sangany!

Farany, ompa nataona mpihaino iray tao amin'ny kidaona maraina androany alakamisy 8 janoary 2009 ihany: Be dongidongy tamin'ny mpanjaka, hono, ity zanak'andriana (tsy iray fianakaviana amin'ny mpanjaka) iray nifehy tanàna somary lehibebe ihany ka niteny azy ny mpanjaka hoe: Fa inona no tadiavinao amin'ity be dongidongy ity e? Namaly, hono, ilay zanak'andriana hoe: Tsy mitady na inona na inona aho fa ny tadiaviko dia ny mandiky eo amin'ny seza fiandriananao! Eny ary, hoy ny mpanjaka, fa izao: mahazo mandiky soa aman-tsara eo amin'ny seza fiandrianako ianao fa tsy mahazo mivalandrano... koa ataovy ary!

Nandalo Zafy Albert: Vaky ny fonjaben'i Tsiafahy![updated]

2009-01-04 @ 10:49 in Andavanandro

Soa ihany, na dia zava-dratsy aza no nahafantarana azy fa, heno hoe nandalo teny amin'ny fonjaben'i Tsiafahy ny filoham-pirenena teo aloha tamin'ny faran'ny taona teo. Ny toe-javatra notaterin'ny gazety manko dia hoe nipoaka tao anatin'ny fonja ny basin'ny mpiambina ny filoha teo aloha Zafy Albert. Gaga ny rehetra! Nahoana no tafiditra tao anatin'ny fonja ny basin'ny mpiambina ny filoha nefa dia oarara tanteraka izany?

Nanomboka tamin'ny namakiako io vaovao nipoahana basy io dia efa niandry fotsiny ny fahavakisan'ny fonja aho ary dia tontosa izany androany alahady maraina 04 janoary 2009 tamin'ny telo ora. Tena miala tsiny raha nampifandrayireo toe-javatra roa ireo satria izay no lojika tao anatiko tao na dia efa talohan'ny fahavakisana aza... noho ireny fahavakisana efa nisesisesy tetsy sy teroa ireny! Sarotra ho ahy koa noho izany raha tsy nampifandray ity toe-javatra ity ami'ny toe-draharaha politika mety hitranga atsy ho atsy! Tsy nisy nolazaina ny mombamomba ireo 21 nandositra, nisyy oatifitra nandritra ny fitsoahana fa mbola misy 16 no miriaria any ho any!
 
fanampiny:

toy izao io lahatsoratra io:
 
Taitra ny rehetra, na ireo gadra na ny mpiandry fonja, hatramin'ireo mpamangy naheno ny poa-basy tokana nirefotra tao amin'ny fonjan'i Tsiafahy ny 31 desambra lasa teo, tokony ho tamin'ny 3 ora tolakandro. Miaramila iray no voatifitra teo amin'ny takibany. Basin'ny mpiambina an'i Zafy Albert tonga namangy- tao an-toerana ity nipoaka ity.

Araka ny fanazavana, niaraniditra tamin'ny profesora Zafy tao amin'ny fonja ny mpiambina azy izay nahazo alalana hitondra ny basiny, na dia tsy tokony hisy fitaovam-piadiana tafiditra aza ao anatiny. Nifampiresaka tamin'ny miaramila iray namany ity mpiambina nanana basy ka taorian'ny resaka nifanaovan'izy ireo no nirefotra ny basy. Tsy nisy nahita mazava izay tena nitranga ny rehetra, na ny tompon'andraikitra tao amin'ny fonja na ingahy Zafy Albert, fa ny basy efa latsaka teo amin'ny tany no tazan'izy ireo taorian'ny fipoahana.

Nalefa teny amin'ny Hjra avy hatrany ilay naratra. Avotra soamantsara izy ary afaka ny bala tafiditra teo amin'ny takibany. Taorian'izay no nahalalana fa latsaka ilay basy ary izay no nampipoaka azy ary nandratra olona tsy nahy. Mifankahalala rahateo ireo miaramila roa ireto, ny iray mpiambina an'i Zafy Albert ary ny faharoa mpiambina ao Tsiafahy. Mara-nianatra izy roa lahy, samy zandary kilasy faharoa.

Marihina fa saro-pady ary avo lenta ilay basy nipoaka, marika Tamas. Olona manokana vao afaka mampiasa azy.

Tonga teny amin'ny fonjan'i Tsiafahy ny androtr'io ihany ny tompon'andraiki-panjakana nizaha ny zava-misy. Efa ny 1 janoary tamin'ny 3 ora maraina izy ireo vao niala teny an-toerana. Mandeha ny famotorana...

Yves S. (Mariho fa 2 janoary 2009 ity gazety Taratra nanatsoahako ny vaovao ity)

Fanendrena Minisitra:

Ireo Minisitra telo notendrena Androany alahady moa dia avy amin'ireo efa teo ihany dia: Atoa Bezary manase (fanapariaham-pahefana) sy Désiré Rasolofomanana ary Rakotonirina Gervais izay tsy arako ny toerana nanendrena azy.
 

jentilisa, alahady 04 janoary 2009

Aiza ny zo maha-olona ny mpiasan'ny Kaominina (Antananarivo)?

2008-12-28 @ 08:26 in Andavanandro

Tsy rariny intsony fa efa tafahoatra, Tsy hoe tsy manana fampitam-baovao ilazany ny hetahetany izy ireo dia anaovana izao toeran-tsy zaka rehetra izao. Fa na tsy heno aza ny fitarainan'izy ireo ka mizaka ny mafy ireo mpiasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ireo; mahatsapa ny fanimbazimbana ny zo maha-olona ihany ny tena, satria na ny voafonja aza tsy mizaka ny mafy tahaka azy ireo.

Iza amin'ny olona eto Antananarivo ka nandalo ny afovoan-tanàna indrindra izay tsy aiza fa manaraka iny araben'ny fahaleovantena na kianjan'ny 13 mey no tsy nahita ny fanosihosena ny zo maha-olombelona ireto mpiasan'ny Kaominina ireto? Fa raha ninia tsy nandeha tamin'io toerana io ianao, nefa manaraka ny vaovao an-tsarin'ny tv plus na mbs ihany dia ho kiriko tanteraka. Tsy toeram-pivoahana na fanariam-pako aza fady indrindra i Analakely. Eto Antananarivo, re tompoko, no renivohitry Madagasikara ary heverina ho tsy niserana teto Antananarivo raha tsy mandalo izany Analakely izany; koa nahoana no tsinontsinoavina tahaka izao io toerana io? Analakely no fitaratr'Antananarivo, fitaratra lehiben'i Madagasikara, ka aza hanehoana ny havoretrana tahaka izao.

Misy ny haino aman-jery manararaotra ny loton'Antananarivo, nefa soa ihany fa eo ihany koa ny mampiseho ny fiezahana ataon'ireo 20 mirahalahy manana anjara manadio an'Analakely, miasa mandritra ny tontolo andro mamafa sy mitatitra ny fako ariana fahatany eny rehetra eny. Fa nahoana no takiana ny hanafoanana ny asa an-terivozona atao amin'ny voafonja eo amin'ny lalàna nefa nahoana ireto mpiasan'ny Kaominina ireto, izay tsy voasazy na nanao heloka, na dia eo aza ny tsaho fa gadra manolotena hanadio ny tanàna ireto olona ireto mba ahafahany mivoaka ny fonja, no asaina mifitra ny diky sy ny fivalanan-drano ary ny loa (degaoba) ataonao eo afovoan'Analakely io? Tsy rariny!

Raha izao no mitohy dia ho voarombaka vetivety ny medaily volamenan'ny halotoana fa tsy medaily alimo intsony raha izao halotoan'Antananarivo izao no jerena. Tsy ny Fiadidiana ny tanàna na ny fitondrana ihany no tompon'andraikitra amin'izao fa ny mponin'Antananarivo indrindra indrindra. Inona moa no fako betsaka indrindra? tahona masikita! satria manko revy no atao ka mahalala ianao fa tsy hamafa ny loto ataonao dia ny hafa no zimbazimbaina amin'ny fanariana ireny loto ireny? Milaza fa madinika sy sahirana ve dia ny olona hafa mitovy saranga aminao ihany no asainao mizaka ny tsy eran'ny aina avela hihinana ny tadiny? Mba eritrereto ihany lahy! Aza potehina re aza fady ireny fefy iarovana ny zaridaina ireny ô! Aza potehina re aza fady indrindra ny zaridaina endriky ny tanàna e!

Mbola maro ny sazy zakain'ny mpiasan'ny Kaominina, noho ny havoretran'Antananarivo, toy ny baoritra atao lafika amin'ny entana amidy amoron-dalana sy afovoan'araben'Ambodifilao sy Behoririka. Soa ihany aza fa tsy avy ny orana tao ho ao fa raha tàn'ty nisy izany tsy mahala baoritra lena raha izay kifafa fa tanana mihitsy no manala izany baoritra lena izany. Mitaky aho: Atsaharo ny fanaovana tsinontsinona ireo mpiasan'ny Kaominina ireo fa tsy ambany zo noho ny gadralava lazaina ho manao asa an-terivozona nefa tsy manao izany tsy akory izy ireo! Raha izaho, dia famonoana ho faty no mendrika ireny olona manao tsinontsinona tafahoatra ny olon-kafa tsy nanao heloka, ho fanajana ny tanàna, hanajana ny mponin'Antananarivo, saingy tsy hanaiky izany manko ny mpandala ny zon'olombelona (indrindra fa ny zon'ireo mirehahareha fa tsy misy afaka manao na inona na inona azy ireo amin'ny hadalana izay ataony ka manadino ny zon'ny olona tsotra miezaka manao ny marina).

 

Jentilisa, 28 desambra 2008 

Noely 2008: Fifaliana fa tsy mitady fahalavorariana

2008-12-25 @ 17:47 in Andavanandro


Mety hahagaga anareo izany lohateny izany. Efa nandalo ny krismasy 2008 avokoa ny ankamaroantsika rehetra ary irariana mba ho nahafinaritra izany. Ny maraina aloha dia tany am-piangonana, fety kristiana aloha izy voalohany indrindra vao fety araka izay itiavantsika azy. Raha ny vaovao televiziona frantsay mandeha eto Madagasikara no topazamaso dia ny resaka "pere noël" no tena nanjaka efa ho herinandro lasa izay. Mahay manandratra ny azy izy hany ka tsy mahagaga raha misy ny Ben'ny tanàna eto Madagasikara no mihazakazaka fandrao hahazo fanomezana avy any koa angaha, saingy vazivaziko izany fa mafana loatra angaha ny eto Madagasikara ka aleony maka hatsiaka kely any aloha. Maro ny olona mamonjy ny ambanivohitrany rehefa andro tahaka izao ka mety ho any ny ambanivohitrany na dia Malagasy jerena aza izy (ary mbola vazivazy ihany izany!).

Ny tolakandro amin'izay dia samy manana ny azy amin'izay. Eo ny mivorivory ka manala vazony amin'ny zava-pisotro mafana. Eo ny mijery televiziona izay tsy dia misy fandarahana tsara loatra raha ny eto Antananarivo, satria tsy misy VIVA (hehehe), ka raha manana film aleo izany no alefa na ny lahatsarim-pianakaviana. Tsy vitsy ny mamonjy ny any Analakely mivezivezy eny, ka angamba tsy tafaverina intsony izay ireny mpampiloka tsy ara-dalàna ireny, satria fandikan-dalàna roa avy hatrany no ataony: Voalohany, tsy mandoa ny haba mifanaraka amin'izany izy ireo; faharoa, mampilalao olona tsy ampy taona izy ireo... satria dia ny roa ampahatelon'ny manjifa eo aminy raha kely indrindra no tsy ampy taona, izay aloha ny lalàna eto Madagasikara. Zavatra tsara avy amin'ny Kaominina Antananarivo renivohitra aloha izany na dia minia mamono arabe tsy tokony hovonoina mandrakaria aza ny mpivarotra anaty arabe mampijanona tanteraka ny fifamoivoizana raha ny talata teo no nojerena. Toy ny nitaky ankolaka mihitsy ireo mpivarotra anaty arabe ireo mba hovonoina tanteraka ny arabe manerana an'Analakely, Ambodifilao, Behoririka ary Tsaralànana rehefa andro fety na inona izany na inona.

Ny ahy indray moa mba nijery ny hira sy ny tsianjerin'ankizy aho. Ankizy no resaka noho izany tsy hitady zavatra lavorary na oviana na oviana aho. Ny fifalian'izy ireo fotsiny dia ampy izay. Fifaliana indrindra ho azy ireo raha mba manatrika ny zavatra kely ataony ny rainy sy ny reniny na ny iray amin'ireo farafaharatsiny, ary tokony ho mba ho faly tahaka izany ihany koa ny  ray aman-drenin'ireo zaza ireo mahita ny fibadabadan'ny zanany eny an-tsehatra eny. Tsy ho raharahany izay havitsian'ny mpijery raha mijery eo ny olona tiany indrindra, ary tsy ho safononoka na oviana na oviana ny fifaliany sy ny zavatra tsara ataony raha tsy mba manatrika eo ny ray aman-dreniny na ny mpitaiza azy akaiky ihany koa.
 

Endrey izany hetaheta mahazo ny iray ka tsy misalasala velively izy midina amin'iny tohatra iny mba hisotro rano eny amin'ny reniny; ary tsy menatra ihany koa izy miakatra tsimoramora ny sehatra indray mba hanatontosa ny anjara hira sy tsianjeriny rehefa afak'hetaheta. Mba mifaly ery ny mpanatrika fa tokony ho efa tsianjery veloma no atao, nefa noho ny fahataran'ny ankizy vitsivitsy tsy nahatratra fanombohana dia nomena fahafaham-po ihany izy ireo hanao ny anjara tsianjeriny... Ny mpanolotra manonona ny hoe "veloma", ilay zaza voalohany nanao ny "arahaba". Tsy maintsy karohina ve ny lavorary? ataoko fa rehefa mifaly amin'ny fo madio dia efa tsara izany.

Sary nalaina teny Ivato nandritra ny fahamaizana hotely kintana dimy!

2008-12-22 @ 21:04 in Andavanandro

Alatsinainy 22 desambra 2008, tokony ho tamin'ny sivy ora maraina teo, noho ny antso nisesisesy tamin'ny kidaona maraina dia tsy tana ny tena fa lasa izao. Lasa tsy misy afa-tsy io no resaky ny olona. Ahoana ny fandehany? Fanontaniana no mifamahofaho satria tsy mahita mivantana avokoa tsinona. Misy milaza ny alahelony sahady ny avy any amin'ny farintany (araka ny nolazainy) satria toa karazana fanimbam-poto-drafitr'asa indray izao. Hamonjy ny fiara fitaterana mankeny Ivato. Hazakazaka madinika nankeny amin'ny Vatobe hiala amin'i 67ha ho any Andohatapenaka io. Teo no nandray fiara. Tsy fiara manokana no nandehanana fa dia manaraka ny onjany eny na dia maika dia maika aza. Azo lazaina fa tsy tokony ho tara loatra aho tsinona satria henjana dia henjana ny fitohanan'ny fiara amin'izao ankatoky ny fetin'ny faran'ny taona izao. Niresaka tamin'ny olona tao anatin'ny fiara aho fa tsy te-hino ny fijery azy rehetra.

Tonga eo amin'ny fiolahana ho eny Ambohitrinimanjaka iny amin'izay, nanomboka hita ilay hotely lehibe... io tokoa fa misy setroka mainty taty amin'ny lafiny andrefana. Tsy dia midonaka manao ahoana fa hita ihany. Tsy hitan'ny fakantsariko fa dia aleo mionona manakaiky azy araka izay azo atao ihany. Tena tsy rariny kosa izao, hoy ilay resevera, fa dia tsy azo asiana zavatra tsara mihitsy ve aty amin'ny tanàna? Tsy hanaiky an'izao kosa aho, hoy izy nanohy ny teniny. Samy miha-miakatra hafanana ihany izany ny tsirairay koa!

Tonga hanakaiky ny masoivoho Amerikana vaovao. Niantsona indray ny fiara. Indreny ny andiana fiaran'ny mpamonjy voina an'Antananarivo renivohitra voalohany hamonjy an'Ivato. "Ironie du sort" hoy ny tao amin'ny radio viva tamin'io fotoana io, satria araka ny hanilikilihana an'Antananarivo no hitadiavam-pamonjena avy aminy. Nandeha avy hatrany anefa ny fampitandremana, nataon'ny mpanentana sy ireo mpiantso mba tsy hilaza fifaliana amin'izao toe-javatra izao mihitsy isika na hilaza fa valim-bavaka izao manjo ny hotely kintana dimy izao (fa inona tokoa aloha ny anaran'izy io e?). Aoka, hoy ny mpanentana ho hendry mandrakariva, hilamina tsara fandrao avy amin'ny vava tsy ambina no hanakatonana ihany koa ity radio ity.

Eny an-dalan'ny eny Talatamaty, indreo ny zatovolahy mitodika avokoa any amin'ny heverina ho toerana misy ilay hotely. Mazava loatra fa eny ny masony. Ny resaka ataony indray aloha tsy fantatra ny amin'izay. Ela ny ela tonga akaikin'ny fiatoana ho eny amin'ny hotely ihany. Vao tafala ny fiara dia indreny indray ny fiaran'ny Mpamonjy voina an'Antananarivo renivohitra hafa midodododo avy any.

Vao tsy nandingana lavitra akory aho dia heno ihany koa ny hafa misasasasa aok'izany. Na iza na iza kosa tsy misy afaka ny mikimpy intsony amin'ny fikoropahana misy. Maneno avokoa manko ny karazana anjomara rehetra tamin'iny lalana mankeny Ivato iny. Eny ny an'ny mpamonjy voina, eo koa ny an'ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny, na vahiny na tompontany, miaramila sy sivily, nandalo koa manko ny an'ny etamazaoro. Ny mahatsikaiky aza dia mbola misy ny tsy mahalala ny fiviliana akory fa misosososo any ka efa lasa lavidavitra kely vao tonga saina miverindalana.

Tsy ny mpamonjy voinan'Antananarivo renivohitra ihany tsy akory no nandeha nankeny fa ny an'ny Asecna no tonga voalohany ary ity tazana amin'ny sary miloko mavomavo ity aza dia efa fiverenany fanindroany sahady. Soa ihany hoy ny anankiray izay fa nisy ireny famonoana afo mousse ireny ny azy ireto fa raha izay rano toa tsy hahavita hamono ilay afo mirehitra ao amin'ny hotely. Karazan'ny niara-nitontona tamin'ny masoivoho Shinoa ihany aho raha atao hoe ny vavahady no fetra.

Fa maninona i jentilisa no mbola tsy miditra foana? Tsy hoe tsy miditra izy fa tsy tafiditra. Tsy manana alalana hiditra aho satria tsy mpanao gazety. Lasan'eritreritra teo aho. Ahoana no ataoko? Andeha aho hamonjy iny lalana manoloana ny La Hutte Canadiennne iny. Hitady lalana na fidirana hafa aho izany. Toga teto amin'ity toerana amin'ny sary ity aho dia mahatadidy tsara amin'izay fa tsy misy lalankely mitsofoka miantsinana any fa lalana mizotra ho any an-tanànan'Ivato tsena izay lavitra dia lavitra ny mankeny. Hiverindalana aho dia nipika sary indray, asa raha mba tsikaritrareo ilay setroka na tsia fa nandrahona be koa moa ny andro ka ahiako tsy voaavaka an-tsary ilay izy.

Dia niverina nankeny amin'ny vavahady fidirana indray aho mieritreritra lalina izay fomba idirako amin'ity toerana ity. Nopihako indray aloha ny sary. Ataoko fa hitanareo ny setroka. Ny hita izany hatramin'izao dia setroka fa tsy mahita afo midedadeda izany isika. Vao teo ampiandohana rahateo ny afo dia efa velona ny fanairana. Ny rehetra aloha izany izao dia samy mahita fa misy raha ao, mifanontany amin'izay zavamisy marina nefa samy tsy mahalala ihany koa. mazava ho azy fa ny tombatombana no betsaka nefa tsy hahalalana izay tena marina izany. Afaka fotoana fohy toa efa nitsahatra ihany ilay setroka mainty teo. Dia ahoana? vita ve? levona ve ny afo?

Mbola mivezivezy ihany anefa ny mpamonjy voina roa tonta, Ivato sy Antananarivo renivohitra amin'ny fahatongavana sy fandehanana haka rano. Izay fiara lany rano na Antananarivo na Ivato dia samy mizotra ho any amin'ny seranana avokoa. Lavitra loatra kosa aloha raha hitodi-doha ho aty Antananarivo e!

Dia lasa indray aho nitady lalana ka tsy atoroko indray aloha ny lalana fa tsy maintsy hoe lalankely miatsinanana mitady izay hanakaikezana an'ilay trano avo ihany io. Nivezivezy tany aho ka gaga fa karazana cité ihany izao izorako izao fa izy lalantany, lalampotaka fotsiny no diavina. Nahita tamboho somary ivaiva izay aho. indro hitako tsara amin'izay ilay toerana. Nopihako ny sary raha vao nahatazana tsara aho. Efa milamina izany tanàna izany, hoy aho anankampo, saingy dia vitan'izay fotsiny ve?

Lasan'eritreritra lalina aho, sao dia fanodinan-dresaka ihany koa ary izy ity. Toa ny fanafenan-javatra tsinona no tena betsaka. Tsy misy na inona na inona fantatra amin'ity raharaha ity. Indreny eny ny praiminisitra sy ny mpiara-dia aminy fa mizotra manatona tsimoramora ilay toeram-pivoriana iraisam-pirenena. Sambany aho vao nahita an'io mivantana ary raha tsy ity toe-javatra ity tsy nieriteritra izay hahitana azy aho. Ary efa vonona eo ambaravarana ihany koa ny mpamonjy voina. Gaga aho, fa angaha ahiana ho may koa ity toeram-pivoriana ity no asiana io fantsona io sahady? Tena aleo tokoa aloha misoroka e! Mba manararaotra hitsidika ilay toeram-pivoriana indray angaha ny ry zareo izany, hoy aho.

Indreo indray koa ny mpiasa miakanjo jaky izay raha tazanin-davitra dia voavinavina ho Shinoa avokoa, anjatony maro fa nalahatra teo an-tokotaniben'ny toeram-pivoriana. Milahatra tokoa moa ry zalahy. Hay moa ny anton'izany rehefa narahina ny vaovao hariva dia noho ny sakatsakana ataon'izy rehetra na Shinoa ambony na mpiasa tsotra tsy hamelana hakana sary ny faritra. Nisy savorovoro kely mihitsy teo amin'ny mpanao gazety malagasy (izay narovan'ny mpiasa malagasy teo an-toerana tsy hokitihin-dry zalahy vahiny) sy ny mpiasa Shinoa na tompon'andraikitra Shinoa eo amin'ny fanamboarana izany na ireo mpiasa tsotra. Efa nisy fifanosehana mihitsy ka tompon'andraikitra ambony Shinoa iray no nampitony ireo mpiasa Shinoa vao nilamindamin-dratsy ny raharaha. Ny fampivoriana an-dry zalahy teo izany dia ny hanesorana azy tsy hanelingelina ny vahiny loatra satria mety ho tsy fantatry ry zalahy akory izay olona atosiny na Minisitra na mpanao gazety. Misy ry zalahy no lasa nivoaka ny faritra fanamboarana,moa misy ny namonjy nipetrapetraka lavidavitra teny.

Inona indray no hataoko? Hitsambikina ity tamboho ity ve aho? Jereko izay tao anatiny ka tsy misy taitra. Lasa izao, niditra tao anaty faritra aho. Tsy misy hazakazaka izany na dia aty amin'ny toerana tsy misy olona aza no misy ahy ary hotsikaritra avy hatrany aza ny fidirako. Tsy raharahako izany fa dia nizotra tsy taitra aho. Mizotra nankeny amin'ny fitobian'ny fiara aho. Nopihako sary vetivety ilay trano fandraisna fivoriana; ahiako ho tsy azo alaina sary manko io (ary tsy mamela tokoa ny mpiambina rehefa saiky haka sary izaho sy ireo mpanao gazety fantatro endrika). Io izany izy io e! mahafinaritra ihany ilay toerana! io koa ny baobab kely iray nalaina tany amin'ny faritra andrefana tany. Misy mpiandraikitra ny filaminana iray izay somary nivandravandra ahy, satria tsinjoko nahatsikaritra ny nakako ny sary izy. Mody tsy taitra mihitsy anefa aho.

Tsy afaka miroso lavitra intsony aho satria be vavahady koa hay ity toerana ity an! Anarany fotsiny aho no tafiditra tetsy fa tsy maintsy handika sakana maro hafa koa raha tena sahy. Nefa mety ho fahasahiam-poana izany fa ilaina ihany ny mitandrina. Lasa aho nitodi-doha nody amin'izay satria miandry koa ny asa ka ho tratra aoraina eo. Vao tafavoaka kely ny vavahay indray aho dianifanena tamina ankizy tao amin'ny foko blog club. Niara-niverina indray izahay. Tafiditra soa aman-tsara tamin'ny toerana akakiky indrindra aho. Saingy tsy mahita setroka intsony mazava loatra. Raikitra amin'izay ny fakana sary. Manararaotra araka izay mety eo.

Raha ny filazan'ny mpiandraikitra ny mpamonjy voina avy taty Antananarivo renivohitra ary (Kolonely Andrianaivo Jaona) dia miisa 25 eo ho eo ry zareo no nanao ny asany taty Ivato. Olona telo no sempotra tao ary shinoa avokoa ireo. Tsy nisy aloha ny aina nafoy. Heverina ho court circuit no nahatonga ny afo ka nahatratra ny (kidoro) eponge maro sy takela-kazo notehirizina tao amin'ny 2eme sous-sol na ny farany ambany indrindra araka ny filazany, izay no mahatonga io setroka be io. Azo lazaina izany fa efa nanenika ny trano iray manontolo ny setroka matoa efa tonga eny ambovonana araka ny fiteny mihitsy ny nivoahan'ny afo. Tsy maintsy nifandimby ny mpamonjy voina niditra satria tsy azo iaianana ao ka mitondra tavoahangivy misy rivotra iainana midina mamono afo any. Rehefa lany ny rivotra dia mivoaka iny ka misolo olona hafa indray. Tamin'ny 11 dia azo lazaina fa voafehy ny afo, tsy midika izany fa hoe maty tanteraka hoy ny tompon'andraikitra fa efa tsy miitatra intsony ilay izy aloha.


Tsy maintsy nody amin'izay aloha hisolo ankanjo hiasa... na dia maika aza ny hamoaka vaovao ny asa tsy maintsy vitaina ka izao vao nahavoaka sy nahatantara izao aminareo. Naleo ihany tara toy izay tsy nisy mihitsy e! Ka aza tsiny!

Ny antso finday no tena mifaninana

2008-12-13 @ 03:09 in Andavanandro

Tranga iray anisan'ny manova fijery ilay lalao nahoana no hamaham-bolongana ho an'i Afrika iny. Solontenan'ny eto an-tanindrazana ny tena ka manana andraikitra amin'ny fampahafantarana ny zavamisy eto an-toerana. Lavitry ny lalamben'ny serasera ka manjary zavadehibe loatra ho an'ny mieli-patrana manerana izao tontolo izao izay lazain'ny tena. Tsy mahagaga loatra raha nisy ny niangavy mba tsy ho matroka loatra amin'ny filazana ny zavamisy eto an-tanindrazana. Rariny kosa ny azy amin'iny lafiny iray iny.

Fiainana andavanandro ary ny holazaina satria efa tafiditra amin'ny fiainana mahazatra ny olona ny fifampiantsoana amin'ny alalan'ny sofindavitra. Tamin'ny voalohany dia gaga aho fa raha orange miantso orange aho dia Ar8 mahery ny vidin'ny segondra iray; Manakaiky ny Ar500 ny miantso iray minitra izany, kivy ny tena mahita izany. Variana ihany anefa etsy andaniny satria ny antso telma ilay hofain'ny olona ireny dia Ar300 ny antso iray minitra na inona mpandraharaha iantsoanao na inona (nindrana ny fomba fitenin'ny orange azy amin'ny teny malagasy aho eto). Matoa anefa mahavita izany ireny mpampanofa antso ireny dia tsy maty antoka velively izy, maty antoka Ar200 isa-minitra sahady aho izany nefa mpandraharaha mitovy ihany no iantsoako.

Niainga ary ny telma fa raha mampiditra fahana indroa ao anatin'ny andavanandron'ny herinandro ianao dia mahazo fahana maimai-poana Ar2000 iantsoanao mandritra ny faran'ny herinandro. Mifanindran-dalana amin'izany kosa ny Zain dia nanome ny tolotra antsoina hoe voky, izay antso tsy voafetra ataonao mandritra ny andro isoratanao anarana (iantsoana 636 ka miala avy hatrany ny Ar3000 ho sandan'ny antso) manomboka amin'ny 6 maraina ka hatramin'ny 6 hariva. Notohizan'ity mpandraharaha ity tamin'ny tolotra antsoina hoe Club zain ny tantara ka tahaka ny teo ihany fa miala Ar1000 isan'alina isaky ny misoratra anarana satria manomboka amin'ny 9 ora alina ka hatramin'ny 6 ora maraina kosa ity tolotra ity. Ireo izany no nikarakaran'ny zain fatratra ilay indray Sabotsy efa nosoratako iry ka nahahipoka tanteraka ny tambanjotra tamin'io fotoana io. Na dia somary mihena eo anatrehan'ny mpanjifa aza manko ny hery sy ny kalitaon'ny tambajotra (noho ny fitomboan'hamaroan'ny mpanjifa va?) dia tsy mampaninona ny mpanjifa loatra rehefa mahazo mora izy.

Eto dia ny mpampanofa antso indray no tena mahavoa satria lasa mifaninana mampidina ny saran'ny iray minitra raha miantso Zain ilay olona ry zareo. Niainga indray tamin'ny Ar150 izany ho an'ny sasany raha Ar100 isa-minitra kosa ho an'ny hafa ny andro voalohany. Nony tonga ny andro faharoa dia nisy ny nahasahy nampidina hatramin'ny Ar95 ny sasany ka raha mitohy izao dia tsy ho ela akory dia hihena hatramin'ny Ar50 ny isa-minitra satria voaefa ao anatin'ny ora iray ny mason-karenan'ny antso noho ilay sara Ar3000 voatazona mandritra ny 12 ora nolazaiko teo, Ar50 X 60 mn = Ar3000 sa izaho no diso fikajy? Eto ihany koa dia miaiky aho satria raha mividy fahana moov aho hoan'ny aterineto dia Ar20 000 maharitra 8 ora na 480 mn no fanaoko, ka raha kajiana io dia 41.666Ar ny sandan'ny 1mn amin'izany; izany hoe efa resin'ny saran'ny antso finday ny saran'ny aterineto fa raha miantso ora iray aho no atao hoe maty antoka indrindra mandritra ny andro; nefa raha ora folo no iantsoako foana dia lasa Ar5 ny iray minitra, fa raha alaiko daholo ny 12 ora dia Ar4.166 izany. Ny aterineto any amin'ny Cybercafe anefa dia Ar20 na Ar15 ny saran'ny iray minitran'ny serasera ary tsy mahazo latsaky ny Ar300 no aloanao. mahavariana! Eto aloha dia tsara atao iantsoana fotsiny ny findainao fa tsy tsara iantsoana loatra mieritreritra fatiantoka sahady raha tsy maintsy foana e!

Noho ny fifaninanana dia mba manao izay hitazonana ny mpanjifany ihany koa ny orange ka mody niainga amin'ny filazana heveriko ho diso avy hatrany fa olona iray amin'ny telo, hoy izy no tsy orange, ka tsy tokony adinoina ireo olona ireo fa antsoy. Ny azy? Raha miantso amin'ny orange roa minitra ianao dia mahazo antso maimai-poana iray minitra ny ampitso ho an'ny mpandraharaha hafa, izany hoe raha ny fahazoako azy raha miantso ora iray orange ianao dia mahazo atsasak'adiny maimai-poana iantsoana mpandraharaha hafa eto an-tanindrazana ny ampitson'iny antso iny. Tsara aloha rehefa samy miezaka fa mba hahazo tombony aloha ny mpiantso mandra-pahatongan'ny faran'ny taona...

Fa lasa ihany ny saina manoloana izany rehetra izany, inona no mahatonga ireo mpandraharaha amin'ny sofindavitra mikarakra fatratra ny mpanjifa tahaka izao? hisintonana mpanjifa hafa vaovao ve? sa dia izaho no diso fatra-piahiahy loatra amin'izay any ambadika any fa tokony hanana ilay fihevitra hoe hano aloha ny hena fa ho hita eo ihany izay any ambadik'izany na ho dumping na ho zavatra hafa? Nahare siosio, tsy voamarina sady tsy misy hanamarinako azy manko aho fa mety hisy mpandraharaha hafa vaovao hiditra amin'ity sehatra ity amin'io taona ho avy io ka avy any Dubai koa ilay mpandraharaha ary FINE (toa manakaiky ny Zain?) ny anarany. Fifaninanana masina aloha ny amin'iny fa mbola miandry izay avalin'ny mpandraharahan'ny solika eto an-tanindrazana koa ny mpanara-baovao amin'izay avaliny ny famelabelaran-kevitry ny OMH milaza fa mbola midangana loatra ny tombom-barotra azon-dry zareo amin'izao fotoana izao.

Telonohorefy hafa kely

2008-12-03 @ 09:49 in Andavanandro

 

Teo amin'ny tontolon'ny Ntaolo dia tangoron-kitana roa ihany no fantatro fa nomeny anarana Ikotokelimiadilaona sy Telonohorefy. Mazava loatra fa mety ho diso amin'izay fomba fijeriko izay aho. Ikotokelimiadilaona io dia tsy fantatro hoe firafitra manao ahoana no amantarana azy fa Telonohorefy kosa dia haiko tsara amin'ny filaharany telo mitandahatra ary kintana iray fahaefatra kosa no somary mifampijadona amin'ny telo voalohany eo atsimo maka ilany andrefana eo ka izay lafy tsy misy ity kintana fahaefatra ity izany no manondro ny avaratra amin'ny alina. Tsy nanary ahy mihitsy izay zavatra fantatro izay fony izaho nilasy ka mamantatra ny avaratra amin'ny alina. Ny alin'ny alatsinainy 1 novambra teo ary teto Antananarivo dia nahita zavatra hafakely teny amin'ny lanitra aho. Tsy dia fahita loatra satria nilahatra toy ny kintana telonohorefy ny kintana roa (planeta tarihin'ny masoandro ireo mazava loatra satria mazava be koa) ary eo afovoan'izy roa ny volana. Tena milahatra tsara mihitsy izy ireo. Nirava tamin'ny valo ora alina aho no nilazan'ny mpiara-mody amiko ny hitany ary dia sondriana koa ny anao lahy. Impiry hahita izao moa?

Mazava loatra fa fanararaotra ny mba maka sary azy saingy tsy arifomba ny fakantsary ary tsy kalaza loatra koa ny mpaka sary. Izay takany no atolony ka zarainy aminareo. Tokony ho intelo mihoatra noho izao no ijeren'ny maso azy tamin'ny habeny teny an-danitra. Mampahatsiahy sahady ny fanatonan'ny Noely. Tsy dia hoe milaza inona akory io satria mbamifanandrify tahaka izay ny fihazakazahan'ny natiora eny an-danitra fa mahafinaritra ny mitazana azy e! indroa nipika sary aho fa nahavariana ilay voalohany (nisy flash) no nety kokoa fa ilay faharoa tsy nisy flash kosa nanalavalava ny boribory. Tsy hita nanjavonana ilay telonohorefy hafa kely (na ny volana na ireo kintana tsy hita izay nalehany) raha mbola saiky haka sary aho tamin'ny sivy ora sy sasany alina io alatsinainy io. Nandalo ihany saingy moa tsy ny fotoana fohy nefa tsara toa ireny no tena mahamamy ny fiainana raha tsy variana miondrika amin'ny tany ao? sa mety hahita vola latsaka amin'nyalina ao ianao? Soa ihany fa tia mitondra ny fakantsariko aho mba manao izay vitany izy e!

Antsirabe sy ny hakantony: Manodidina ny gara

2008-11-13 @ 12:52 in Andavanandro

Izao ary dia mba hampiseho sary vitsivitsy tamin'ny nandalovako tany Antsirabe tamin'ny volana aogositra 2008 aho.

Manangasanga mampiavaka ny tanàna hatry ny ela ny tsangambaton'ny fahaleovantena.

Ny eo ampitan'ny tsangambato ihany koa manana ny fiavahany! ery ambadika ery ny gara

Ny eo anoloan'ny fidirana mankao amin'ny Hotel de Thermes no mba misy jet d'eau kely ho an'Antsirabe.

Trano manana ny lazany sy ny tantara izany trano izany!

Tranon'ny paositra anisan'ny kanto ihany koa. Fantatra avy hatrany hoe Paositra ao Antsirabe raha vao mahita azy ity.

Tranon'ny Paositra niorina nandritra ny fanjanahantany!

Ampitan'ny tsangambaton'ny fahaleovantena sy ny paositra ity ho an'izay tsy tany Antsirabe nandritra ny fotoana maharitra.

Hatreo aloha fa amin'ny manaraka indray e!

 

Aiza ary izao tanàna izao?

2008-10-28 @ 20:22 in Andavanandro

Mety ho misy ireo tsy miraharaha ny hahazo izany kaominina mendrika ifaninanana izany. Misy kosa anefa ireo kaominina ambanivohitra no tena mandray izany hanaovana ezaka manokana. Tsy dia lavitra loatra ny renivohitra ity tanàna asehoko anareo ity, nefa tsy ao anatin'ny Kaominina Antananarivo renivohitra velively. Tao anatin'ny fotoana fohy monja dia niova endrika tanteraka ny endriky ny tsena sy ny fiantsonan'ny fiara amin'ity toerana ity.


Toerana fandehanako ihany, tsy tsaroako intsony ny endriny teo aloha fa mahafinaritra kosa ny mahita azy amin'izao fotoana izao. Mbola hita miharihary ireo fiara fitaterana maro manavaka ny maha-ambanivohitra ny toerana nefa lasa ny saiko manao hoe: Sao dia izy no tena mandroso ho amin'ny tanàna maoderina?


Endrey ireto tambanivohitra mipetrapetraka sy mialoka eo ambanin'ilay fialofana tsy misy dokambarotra na orinasa na iza na iza zary manimba ny endriky ny tanàna izay indraindray. Vao namaky boky iray izay aho ka tao no nahitako fa amin'ny tena hevitry ny voambolana jentilisa (raha heverina amin'ny teny hebreo angaha no tiany lazaina) dia hoe tambanivohitra. Dia soratako eto ihany aloha ho fitadidiako.
 

Fa ny tena tsikaritro ry zareo dia ireo andri-jiro mitovitovy karazana tamin'ireo teny amin'ny ranon'Anosy tsy hita nanjavonana ireny a! Teny Analakely koa tanatin'ny zaridaina manoloana ny arcades fipetrapetrahan'ny olona moa nisy karazany tena nahafinaritra mihitsy tamin'ny fiadidiana ny tanàna teo aloha fa efa ny fototra sisa niangana manamarika hoe hay moa nisy karazan-javatra tahaka izao koa teo Analakely teo.

Fa miresaka Analakely ihany dia manararaotra kely. Tena tsara endrika aoka izany ireo fefy fanitso ambony karazana entina mamefy ny zaridainan'ny Lapan'ny tanàna vaovao ireo an! tsy maintsy soloina ihany ireo fefy teo aloha indrindra ireo eo anoloana ireo fa efa simba sy manaratsy endrika ny tanàna loatra ny fefy teo aloha. Ny zavatra tsara tokoa aloha tsy maintsy miainga amin'ny fonony tena tsara sy maha-te-hijery e! Ho tsara fanomboka ity raharaha ity.

Fahendrena fa tsy fahalalana no antoky ny Fitsarana

2008-10-25 @ 19:51 in Andavanandro

Be tamin'ireo nanaraka ny fitsarana ilay tovolahy nanana ny lazany tamin'ny setrasetra sy ny ditran'i Bad Boy tao Antsirabe ka nahafatesany olona mihitsy aza no tsy faly tamin'ilay didim-pitsarana navoaka. 20 volana sazy mihatra fotsiny sy onitra madinidinika, nefa tsy vao sambany ilay boay io no nandratra olona fa efa fanaony mihitsy sady afaka madiodio hatrany tamin'ny ditra nataony teo aloha rehefa niatrika fitsarana. Sambany izy tamin'ity indray mitoraka ity mba nahazo sazy mihatra. Efa nahemotra hatrany ny fotoam-pitsarana saingy rehefa tsapa fa tsy mihemotra hahalala izay didim-pitsarana ny maro dia notontosaina tsy fidiny ihany ilay fitsarana. Dia io no vokany. Mba rangitra koa izahay na dia aty amin'ny faritra hafa aty aza no mipetraka ary miahiahy fa misy fanaovana kolikoly ao na fahalalana olona mahatonga azy ho Tsimatimanota ka hirehareha mandrakariva.

Amin'ny lafiny ilany anefa toa tsy gaga indray amin'ilay toe-draharaha. Tamin'ny vanim-potoana taloha dia ny mpanjaka na ny tendriny no misahana izany raharaham-pitsarana izany. Tamin'ny ankapobeny ny olona napetraky ny mpitsara hisahana izany andraikitra izany dia olona mahay manadihady sy mamakafaka ny zavamisy na izay mety ho fizotrany tokoa. Misy fivoarany mandrakariva anefa ny olombelona. Tsy mivoatra ho tsara matetika fa mirona ho amin'ny fitongilanana. Na mba manapetra ihany koa ny olombelona fa tsy ary mahalala ny tokony ho rariny. Mety hisy ny sazy mifandaka tanteraka amin'ny heloka mitovy. Mety ho mati-kena-maso ihany manko ny mpitsara raha olona akaiky azy ny iray amin'ireo andaniny sy ankilany eo amin'ny raharaha iray. Tsy maintsy miaraka amin'ny fitsarana noho izany ny lalàna, ny fitsipika ary ny didy mba ho sazy mitovy na mifanahantsahana no ampiharina amin'ny heloka iray.

Nisy ihany koa ny fitsarana tamin'ny alalan'ny poizina zavamaniry (tangena) rehefa tsy hita intsony
izay tena marina sy diso amin'ny raharaha kanefa matetika araka ny tolo-bola ambadika ihany koa dia mety ho mahery na matsatso izany poizina sotroina izany. Amin'io fotoana io dia tsy araka ny fandehan'ny raharaha intsony no itsarana ny olona fa iantsoana ny hery hafa heverina ho ambony mba hamaly araka ny nataon'ny tsirairay ny herin'ny poizina. Karazandrazan'ny miakina amin'ny vintana sy ny tanjaky ny hery fiarovana ao amin'ny tsirairay ihany noho izany ity fomba fitsarana ity. Tsy dia idirantsika lalina loatra ny amin'ity tangena ity satria tsy misy mampihatra loatra intsony tsinona.

Fa nivoatra tsikelikely ny fomba fitsarana. Efa mipetraka ny lalàna koa dia manodidina ny lalàna sy ny fampiharana azy no tena nimasoana. Nilana fianarana manokana ny fahalalana izany lalàna izany. Manana ny manampahaizana manokana momba azy ny lalàna ka ireny olona ireny no heverina ho mendrika ny hisahana ny raharaham-pitsarana. Lasa asam-boninahitra ny misahana ny raharaham-pitsarana, tsiriritin'ny maro na mahantra na manankarena izany asa izany. Tsy dia misy loatra ny lafy ratsiny amin'izay toe-draharaha izay ankoatra ny fitadiavan'ny sasany hahazo izany asam-boninahitra izany amin'ny fomba rehetra, eny fa na dia ividianam-bola ny diplaoma manamarika izany aza.

Ny diplaoma azo tamin'ny kolikoly anefa tsy mijanona hatreo, mitady fitadiavan-tombotsoa ankoatra izay omen'ny fanjakana izany. Matoa koa notsiriritina ilay toeram-boninahitra heverina ho mifanaraka amin'izany ihany koa ny fidiram-bola tafahoatra aza. Manomboka eo ny ranomodin'ny tsy rariny. Ny herin'ny vola no manjaka. Ny fandio iray siny tokoa tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka. Tsy fantatra intsony ankehitriny izay ao amin'ny fandio sy ao amin'ny fandoto fa mihevitra ny maro fa be loatra ny tsy rariny avoakan'ny fitsarana... Tsy dia ataony mahagaga intsony raha misy ny mpanao ratsy afaka mandrakariva satria raha misy ny fitsarana diso dia tsy meloka ny amin'izany ny mpitsara fa ny fitsarana fotsiny no akarina ho amin'ny dingana ambony kokoa.

Eritreritra tsy tana ny ahy, eny fa na dia io heverina ho tantaran'ny fitsarana amin'ny ankapobeny io aza. Mba hitandroana ny rariny, tsy mba misy ve ny fanaraha-maso ireo mpamoaka ny didim-pitsarana ireo? mampanao ho sazy mihantona ny tokony ho asa anterivozona na tokony famonoana ho faty mihitsy aza! maninona raha arahi-maso tsirairay ny mpitsara? Jerena avokoa ny didim-pitsarana navoakany nandritra ny fe-potoana voafaritra ahitana izay nataony! sa tena tsy azo tanterahina mihitsy ny tahaka izany?

Fa raha sarotra ny manatanteraka izany eritreritro izany, maninona moa raha tsy maintsy ampitaina ho fantatry ny rehetra ny anaran'ireo mpitsara misahana ireny raharaha mafampana ireny ho fantatry ny be sy ny maro? Amin'izay fotoana izay ho fanta-bahoaka ho azy ireo mpanao fitsarana miangatra tsy mahalala afa-tsy ny herin'ny vola sy ny fahalalana olona akaiky. Amin'izay fotoana izay tsy ny Fitsarana amin'ny ankapobeny intsony no ho afa-baraka fa izay minia manao fitsarana diso matetika. Mba ho faly na ho kivy mialoha ihany koa izay miatrika ny fitsarana ataon'ireny karazan'olona ireny.

Nareo vehivavy ireto tena tssssssss...hihihi

2008-10-24 @ 12:44 in Andavanandro

Tena faly hanadrohadro an'i Kdaombaramita mihitsy aho eto. Tsy izaho aloha no namoha fady fa te-hitsikanikany kely fa tsy hanembona lava isaky ny zoma hariva izao. Fa tsy maintsy hamoaka tononkalo ihany amin'ny manaraka!

Inona indray no tsy mety ataon'ny vehivavy e? Aiza kosa ve rehefa maraina ireny dia Ar10 000 foana no mody omena ny resevera rehefa mandeha betax dia mody asiana indray hoe etsy ananona etsy aho no miala? Maninona raha tsorina hoe maninona letsy aho raha tsy ampandoavin'ialahy sarandalana? Dia eo indray izany mody Ar100 fotsiny indray no omena fa hoe akaiky no miala. Na dia inona koa aza?

Ny tena mahavariana aloha dia vehivavy daholo no tena mpanao azy. Tsy mbola nahita aloha aho ka hoe lehilahy no nanao izay fomba izay. Farany, tena lazaiko fa hanadrohadro an'i Kdaombaramita (heveriko fa viavy tsara matoa misy mikitika) no nanoratako ity. hihihi...

Ny e-bit 12 tsy hitan'ny besinimaro

2008-10-18 @ 22:38 in Andavanandro

Malaza ihany ny e-bit amin'izao fotoana izao. Eo manko no ifaninanan'ny mpanome tolotra ny hiaka farany amin'ny sehatra misy azy tsirairay avy. Efa andro natokana ho an'ny besinimaro moa ny faran'ny herinandro ka ny fitaovana isankarazany no arantiranty mba hamidy. Ao amin'ny lapan'ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina moa no anatontosana ity hetsika ity.

Ny zoma teo kosa ny ahy no tantaraiko. Zoma, fotoana natokana hitsidihan'ny mpianatra madinika sy lehibe ity hetsika ity. Mazava loatra fa ny hijerijery no tena ataon'ny mpianatra fa tsy ny hividy loatra. Mety hifanindran-dalana amin'izany ny tsy iraharahian'ny mpivarotra ireto mpitsidika ireto. Tsy misy vola miditra loatra manko no dikan'izany. Ireo nandray anjara tamin'ny Barcamp teto Antananarivo tamin'ny 4 oktobra 2008 lasa teo kosa dia nomena toerana malalaka tany amin'ny efitra kelikely kokoa fanaovana fanazarantena an-trano io atsinanan'ny Lapaben'ny Kolontsaina io. Io andro zoma io ihany manko andro nandraisan'ny "Quartier Libre" (ireo nandray anjara mavitrika tamin'ny Barcamp teto Antananarivo) anjara tamin'ity hetsika ity. Hampiseho sy hanazava ary hanorotoro fa tsy hivarotra tahaka ny hafa rehetra sy zatra ny hetsika toa tsy misaraka amin'ny varotra.

Indreo ary ny tanora erotrerony maro avy amin'ny foko-madagascar (foko blog club) avy any amin'ny faritany, avy eto an-toerana ary avy any ampita no maro an'isa sy miavaka indrindra indrindra noho ny tee-shirt fotsy misy ny famantarana ary nomena ny andraikiny tsirairay avy tamin'ity hetsika ity. Toy ny olona tsy mahalala vizana mihitsy i Jogany mivezivezy etsy sy eroa mikaro-bahaolana noho ny toe-javatra tsy ampoizina isan-karazany. Tena deraiko manokana kosa izy tsy nitandro hasasarana sy nividy izay fitaovana rehetra mety ilaina eo noho eo hampahafatarana araka izay azo atao ny hetsika "Quartier libre" (foko, telomiova, c3lf, amul, Madagascar au temps TIC,...) izay sady tsy nampahafantarina ampahibemaso loatra no toa natao an-takonana tsy fantatry ny atsy amin'ny efitra lehibe akory ny fisiany, enga anie mba ho diso tanteraka ny hevitro eto.

Raha efa niomanana ny hanaovana videoprojecteur ho an'ny Quartier libre dia tsy nisy tampoka ny fanamafisam-peo itenenana. Raha tonga ary ny andiany voalohany tamin'ny mpianatra dia tsemboky ny niteny mafy avokoa ireo tokony ho mpanentana nefa toa tsy ren'ny ankizy loatra izany. Ny tena fotsiny no tsemboka, soa aloha fa voavaha ihany ny tamin'iny avy eo. Manaraka izany dia mifanila aminay moa ny Minisiteran'ny inona angaha (fahasalamana sa mponina sa fampianarana fa resaka ady amin'ny SIDA aloha no fototra). Nisy lahatsary fohy naseho ary dia nanontany ny mpianatra avy teo. Noho ny dokambarotra niseho tetsy sy teroa ary dia zavatra hafa ihany no voatazon'ny sain'ny ankizy. iray aloha mampiasà kapaoty (fimailo io). Toa nisy fanontaniana nipoitra tampoka nomena ny ankizy ary hoe fa firy taona dia efa mahazo manao firaisambatana. Nisy ny namaly hoe 16 taona, nanontaniana izay mitovy hevitra tamin'ilay namaly fa be no nanangatanana. Oay lehiretsy! nihomehy fotsiny ny olondehibe. Efa nilaza ny ao an-tsainy aloha ny ankizy e! dia hitanareo ny nosaininy tany anatiny tany!

Henoko tsara io satria gaga aho tamin'ny fanakanana ireo ankizy tsy hiampita tety amin'ny Quartier libre raha toa tsy nahaliana azy ny resaka. Tsy maintsy mihaino ny resaka fanasana tanana (andron'ny fanasana tanana amin'ny savony tokoa moa? atidoha hatramin'ny farany aloha ny mpianatra vao mahazo miala teo. Hitako tsy tratran'ny minisitera mihitsy ny tanjona satria tsy tafajanona ela teo intsony ny ankizy manaraka ary nony farany aza tamin'iny maraina iny dia nihanjahanja nampalahelo teo ny habaka lehibe nisy azy. Rehefa nandalo hitafa amin'ny mpanao gazety vetivety ny sekretera jeneraly no niangaviana izahay tsy hampiasa fanamafisam-peo aloha fa tsy mampihena ny fifantohan'izy ireo. Izahay anefa tsy nitabataba ahoana akory saingy nahatsiaro ho difotra ihany koa noho ny fanontanian'ny ankizy isankarazany sy ny fahamaroan'izy ireo.

Resaka fanentanana sy fanazavana izany ny tao amin'ny lapakely atsinanana fa tsy misy zavatra amidy. Mba hiavahanay tamin'ny besinimaro sy hanatonan'ny olona anay hiresahany aminay dia naka teeshirt foko ihany koa izahay (nanaronako ny teeshirt telomiova nanaovako) hanaovana hitovin'ny akanjon'ny mpanentana sy ny mpikatroka rehetra. Nisaotra hatrany an'i Jogany tsy sarotiny. Tsy maintsy noheverina manokana ny nametrahana afisy teo ambaravarana hamantaran'ny ivelany fa misy zavatra mety hahaliana azy ireo ihany koa tamin'ity e-bit ity fa tsy voatery ho CITIC nafindra toerana fotsiny ilay hetsika. Isaorana ihany ny mpikarakara nanome fotoana ho anay tamin'io andro io.
 
Ny maraina moa izahay no teo fa tsy maintsy namonjy ny lahasa andavanandro kosa ny tolakandro. Ny tolakandro indrindra anefa no tena misy ny fanentanana, ny atrikasa (ateliers) mety nahaliana ny besinimaro hiresaka zavabaovao amin'izy ireo. Tsy afaka milaza izay tsy natrehako no sady tsy nahazoako fitateram-baovao momba ny tolakandro aho. Marihina fa efa ady sy tolona (resaka sy fifandraharahana ary fifanazavana), miandry valiny mivory hatramin'ny folo alina ny alarobia, hatramin'ny valo sy sasany alina ny alakamisy vao nahazo io fotoana zoma io ny Quartier libre. Isaorana hatrany ireo rehetra avy amin'ny Quartier libre niady varotra mba hahazoana anjara toerana ho an'ity andro tokana ity.

Tolona, ady, rà mandriaka

2008-09-26 @ 10:13 in Andavanandro


Iza no tsy mihoron-koditra rehefa mandre ireny famonoan'olona re isan'andro vaky ireny. Na dia mitatitra isan'andro ireny aza ny gazety eto an-toerana mbola tsy ampahafirin'izay mitranga andavanandro izany. Tsy vaovao rahateo raha tsy zavatra tantaraina. Omaly ny omaly isika mpanara-baovao no nandre fa tao anatin'ny alina iray monja (zoma 19 septambra 2008) dia olona efa 12 no novonoin'ny mpanendaka tamin'iny faritra manodidina an'Andravoahangy iny. Mampihorohoro tanteraka ny mandre azy izany. Eto Antananarivo anefa ireny ka heno ihany fa ny any ambanivohitra rehetra any dia ady sy tolona isan'andro no iainana.

Inona no tena mahaloza azy? efa mivondrona ny fokonolona amin'ireny toerana somary mihataka ny tanandehibe ireny fa miara-dia ihany koa ny jiolahy sy ny dahalo ary ny mpamono olona. Nanafika tanàna antsoina hoe Ambohidravaka tamin'iny faritry Vakinankaratra iny ny andian-jiolahy volana vitsivitsy lasa izay. Izany no toy ny tantara tamin'ny andro fahiny nisy ireny tanàna nifanafika ireny satria tsy nisy nifampitsitsy ny roa tonta, na ny fokonolona na ny andian-jiolahy dia tena nifanandrina tahaka ireny western very sheriff miampy kungfu shaolin ninja ireny; izany hoe mifangaro ao avokoa ny lahatsary gidragidra fantatra rehetra ankoatra an'i Terminator sy Rambô. Hipoka tanteraka ny Hopitaliben'Antsirabe renivohitra nanditra izany alina izany nitaterana ny maratra sy ny tapaka ary ny very rà be dia be avy amin'ny fokonolona fa ny jiolahy ihany koa nitondra ny maratra tao aminy fa tsy hitondra azy any amin'ny hopitaly aloha (manana ny hopitaliny ve izany ry zalahy?). Ny any amin'ny firenena miady an-trano sisa no tsy fantatra raha tahaka izay niseho tamin'ity alina ity. Zairina manta tsotra izao ny ratra rehetra, dradradradra izao, tomany izao... efa tsy nifandrenensana intsony. Raha nisy ny sarin'izany dia ho gaga ianao ary hieritreritra hoe any Iràka ary ve izaho izany sa any Palestina? Soa ihany fa tany amin'ny toerana mbola mafy ny firaisankinan'ny fokonolona aza izany! Fa nahoana izany no nitranga teto Madagasikara? Tsy matoky ny mpitandro ny filaminana intsony ny mponina!

Vao maika koa hampihemotra ny fitokisan'ny mponina ny mpitandro ny filaminana ny fahatrarana ny sasany amin'izy ireny nandroba, nanendaka, nangalatra ary saiky hanao an-keriny ihany koa aza, vaovao tao anatin'ny herinandro izany raha ela indrindra. Efa mihamivantana amin'izay, ho'aho, ny fitangosan'ny mpitandro ny filaminana sasany vola tamin'ny alalan'ny kolikoly teo aloha. Sa mbola tohizan-dry zalahy aty an-drenivohitra ny fananon-dry zalahy tany ambanivohitra tany? Mihamasiaka ny jiolahy ka mamono olona ihany koa satria fantany fa raha tratran'ny fokonolona izy dia efa ny ainy izay no manefa. Inona no tena fototry ny olana? Iray amin'ireny angamba ny fanafahan'ny mpitsara, na mpanao famotorana ny olona efa fanta-daza amin'ny fanaovan-dratsy, ka mampisy Tsimatimanota eo amin'ny lalàna. Ho aiza na hanao inona ary ny fokonolona manoloana ny tsy rariny mihatra aminy? Hisafidy ny hanao inona ny fokonolona raha mbola mitaky ny fanajana ny fiarovana ny zon'ny mpanao ratsy efa mivandravandra fa tsy misalasala ny mandatsaka ain'olona nefa tsy nijery ny nanjò ny olo-tsotra ihany ny mpiaro ny zon'olombelona amin'ny ankapobeny? Efa voarara rahateo moa ny didy famonoana ho faty! Efa mirediredy mihitsy koa izaho izany!

Didim-pitsarana: sao mba tsy rariny ihany?

2008-09-24 @ 09:27 in Andavanandro

Nisy vaovao nahoraka izay teto amin'ny tanàna fa lehilahy Frantsay efa antitra no tratra nitondra sarin-jaza naboridana (tsy ampy taona) miaraka amin'ny sary nametavetana ireo zaza gasy ireo. Tsy te-hitantara betsaka ny amin'iny aho fa ny tena ifantohako sy arahiko maso dia ny sazy mihatra amin'ny olona manao ireny hadalana ireny hijerena ny fampiharan'ny fitsarana fa atao ho anatry ny hafa ihany koa ny sazy azon'ireny olona manaonao foana ireny.

Vetivety moa dia natao ny fitsarana ity raharaha ity ary toy izany ihany koa ny fivoahan'ny didim-pitsarana. Tena ontsa sy tezitra aho nandre ny valiny, araka ny filazam-baovao iray. Ny fandre matetika manko raha misy ny tranga tahaka itony dia asa anterivozona dimy taona ny tena kely indrindra azon'ireny olona ireny. Ny asa anterivozona moa noho ny "zon'olombelona" dia tsy azo atao intsony na dia gadra aza ireny olona ireny. Ny fitazonana amponja ihany izany sisa no azo atao. Fa manakory kosa ilay sazy nomena ilay lahiantitra nanampatra ny hagegeny tamin'ny zaza gasy?

Vao nandre fotsiny aho hoe sazy mihantona ilay azony dia niontana indray mandeha ny ambavafoko. Na tsy te-hieritreritra fanavakavahana aza tsy maintsy taitra ihany, farafahatsarany kolikoly... tena fanimbazimbana sy fanaovana tsinontsinona ny Malagasy mihitsy amiko izao didim-pitsarana izany satria tsy hoe torotorok'olona hanaovana ramatahora olona voafandrika izy ity mba hisintonana volabe fa porofo mitohoka amin'ny tendany ny sary nentiny fa tsy hoe nentin'olo-kafa. Lasa ny saiko manao hoe tena tiana ho fanaovana fizahantany mamoafady mihitsy eto Madagasikara handrisihana ny vahiny hanimbazimba ny malagasy satria sazy mihantona fotsiny no omena anao raha manimba zaza ianao. Roahina fotsiny izany izay vahiny tratra fa tsy mahazo manasazy azy ireny isika Malagasy? Eritrereto ihany lahy!

Ahoana ireto haintrano mampieritreritra ireto?

2008-09-09 @ 19:51 in Andavanandro

Noho ny hamaroan'ny trano hazo eto amin'ny tanàna angaha fa dia misy mandrava trano ampolony na anjatony mihitsy izy izany. Noho izay fanorenana amin'ny hazo mora mirehitra izay ihany ve fa dia misy anaran-toerana vao re fotsiny dia mampiteny hoe "izay indray", resy indray ilay afo fanangana tao Antongona raha vao mananontanona hanafika eto Imerina ny Sakalava nahatonga ilay fitenenana hoe "efa ho lava tahaka ny afon'Antongona".

Anarana malaza loatra izany Antohomadinika III G Hangar izany, impiry isan-taona no re fa trano ampolony indray no may? Tsy haiko aloha na dia tsy manana fo antra loatra aho fa sady kely no hazo ve no andrehetana afo ao anatiny... na dia ny kilalaon'afo mahalasa lavitra ireny ve tsy hanao izay vitany? Fa misy kisendrasendra mampiahiahy mandrakariva ity toe-javatra ao Antohomadinika III G Hangar ity. Nisy ny fotoana hoe tonga ny fitaovana entina hanampiana izay mety ho tra-boina fa vetivety dia maro ny trano may ao. Izao indray vao nahavita ny fivoriany tao amin'ny Auditaurium Ankorondrano Antananarivo tao ny DISTIM Antananarivo renivohitra ary mitetika ny hahazo ny fon'Antananarivo lasan'ny hafa izao dia iny fa nisy trano may indray tao. Azafady indrindra re fa mahalasa saina ilay izy. Efa nahavita nitondra fanampiana sahady aloha ny DISTIM Antananarivo renivohitra fa tsy fantatro raha efa nahavita ny anjara fanampiany ny Kaominina Antananarivo renivohitra e! Sao dia haintrano politika ary ity raharaha ity sanatriavina anie?

Anarana fandre talohaloha ihany koa izany Anosinakoho Mananjary izany. Mbola tsy tany mihitsy aloha ny tenako ary tsy mahalala izay toetoetry ny toerana fa dia matetika may ny toerana tany. Mba tsy re aloha izy tao ho ao fa enga anie tsy ho re intsony satria toa hanala baraka izay olona avy any mipetraka an-tanàna hafa araka ny fiheverako azy izay mety ho diso.

Dia efa rentsika vao tamin'ny faran'ity herinandro ity indray ny tao Ankirihiry Toamasina. Vao amin'ny gazety fotsiny dia tsy fantatra marina ny isan'ny trano may. Loharanombaovao avy aiza angaha ireny isa mifangarika ireny? izao ka raha vao re fa nitondra ny fanampiany ho an'ny traboina ny fitondram-panjakana dia nitombo ho maherin'ny 2 600 tampoka teo ilay tra-boina latsaky ny arivo (800) iny. Tena tsy afaka amin'ny toe-tsaina amin'ny Malagasy maro ve ny manararaotra hanao izay fomba angatahina, hahazo zavatra maimai-poana? Tsy fantatra amin'ny fomba ofisialy moa ny anton'ny afo, fa ny tsilia-tsofina tsy azo amarinina loatra saingy mety hitombina no nandrenesana fa misy olona mitahiry lasantsy betssabetsaka an-trano ihany ao amin'ity faritra ity. Raha miteny azy ny manodidina dia valiany hoe "fialonana ny anareo satria mandeha ny bizinanay". Tsy lasa lavitra mihoatra izay ny eritreritra raha vao re fa poa toy izay (tsy ampy fahefakadiny) no nahamay ny trano rehetra tao Ankirihiry ity. Asa sotasotan'ny manodidina miara-may trano aminy ve no anton'ny afo raha izay toe-javatra izay?

Vaovao aty Antsirabe

2008-08-19 @ 16:11 in Andavanandro

Tena miserana eto amin'ny serasera tokoa aho amin'io fotoana izao. Niova rivotra fa diso kosa angamba ny fiteny hoe niala sasatra raha heverina. Misy ny vitsy azo soratana vetivety. Voalohany raha nidina taty aho tamin'ny alahady dia efa vitsy dia vitsy ny fiara fa ny olona koa mbola vitsy noho izany. Vokany ny fiara ihany no nilahatra fa tsy ny olona. Manamarika ve izany , noho ny fahitana ny taloha fa tena efa sahirana dia sahirana tokoa ny olona?

Raha tonga teny amin'ny fitobian'ny fiara ihany koa aho dia gaga fa tsy nahita ireny mpanera nifampisintosintona ireny. Hay moa ka noraofin'ny polisy avokoa ry zalahy tena nanao fisintonana ny nikasika mpandeha ireny. Vokany tsy misy mahazo mikasika mpandeha na iza na iza.

Manaraka izany tena tsy nahara-baovao mihitsy aho hatrizay niovako rivotra izay. efa saiky tsy hiserasera aho fa nahita cyber nalalaka tampoka dia roboka indray. Fa tena nahavariana ahy ny hamaroan'ny tanora ataoko hoe tsy mbola mahatratra 20 akory dia efa mitarika anaka. Maro loatra araka ny fiheverako azy, nefa ve porofon'ny hoe tsy ampy fialam-boly ny tanora? Sao dia mitady revy tafahoatra kosa ary ka tratran'ny sasany amin'ny kely foana? asa anefa.

Manaraka, efa niomana amin'ny entana ho entinia ihany aho fa mbola nanadio akanjo ba ihany. Soa ihany fa tsy nahatsiaro mangatsiaka loatra na dia izany aza. 

Ataoko fa fa efa lavalava ihany izay na dia mbola manankolazaina aza aho. Ho avy ny sary efa akaiky ny zato. Fa milaza aminareo hoe mitohy ny fiovana rivotra ka tsy ho eto Antsirabe fa toeran-kafa indray...amin'ny manaraka lazaina.  Dia any ho any indray vao manoratra sy mifampiserasera eee!

 

Faly dia faly amin'ny telma aho

2008-08-13 @ 22:56 in Andavanandro

Mametraka ity lahatsoratra ity aho eto hilaza ny hafaliako, ary mino aho fa ho haingana dia haingana ny famakianareo ao amin'ny Telma ity fijoroana vavolombelona hahafaly anareo ity. Manantena ary aho fa mety hapetrakareo ao amin'ny vohikalanareo ny fijoroana vavolombelona tahaka itony soratako itony milaza ny antony tokony hifidianana ny Telma fa tsy ireo mpanome tolo-pifandraisana hafa.

Fa dia inona loatra moa no nahafaly ahy ka mahatery ahy hanoratra ity fijoroana vavolombelona ity? Nividy sofindavitra Telma fixe mobile (24 moa no fahalalana azy ho an'ny eto Antananarivo) aho mba ahafahana miserasera amin'ny aterineto no tena antony voalohany sy lehibe indrindra. Kanjo dia nasehon'ny Telma sy noporofoiny fa manambola 10 000 ariary ariana fotsiny aho. Naharihariny fa manankarena aho e! Iza na olona tahaka ny ahoana moa izany manary vola 10 000 ariary amin'ny tsy antony izany afa-tsy ny olona manankohariana? Nabaribariny ary fa anisany aho na dia tsy manana fiara, iray amin'ny famantarana ivelany maha-mpanankohariana aza. Tena manafinkarena aho rey olona ô! Ahoana angaha izany hoy ianareo?

Marihina aloha fa tsy ilay millionakà kilalao mety ahazoana 1 000 000 ariary izay tsy mbola nilalaovako mihitsy no nanehoany ahy izany harenako izany. Efa voaloazako teo aloha fa noho ny serasera aterineto no tena nividianako 24. Noho izany tsy dia miantso loatra amin'ilay 24 aho, fa io ary no iantsoako ny ao an-trano indraindray. Nisy ambina fahana izay izy io roa volana lasa angamba izay. 6 000 arivo ariary eo ho eo io tahirina fahana io. Iray volana ihany no fetra dia tsy maintsy mamahana ianao raha tsy izany dia levona ho azy tahaka Faosifaoro io... Tsia, lasa tombombarotra manokana ho an'ny Telma io hanentsenana ny illimité fantiantoka ho an'ny telma azon'ny mpividy telma rehetra mandritra ny iray volana. Fitiaana lehibe ny mpanjifa kosa aloha tsy misy tahaka izany e! Tara iray andro aho ary akory ny hafaliako fa nomeko ny telma maimaipoana ilay 6 000 ariary teo. Ny hany fahavoazany dia tsy maintsy mampiditra fahana vaovao aho mba ho sambany hiantso amin'ilay telma 24 ahy. Mba ahafahako miantso iray volana dia voatery aho nampiditra fahana 5 000 ariary indray ary nampirisika ny ao an-trano hiantso aminy entiko ilazana amin-dry zareo fa tena tia fitsitsiana tokoa aho, nefa hanehoako ny maha-mpanankohariana ahy ihany koa. Tsy mety miantso amin'ilay izy anefa ry zareo rehefa mijery ny antso rehetra natao taminy aho.

Tsy tandritandriko akory ny fehim-potoana efa lasa taorian'ny namahanako azy 5 000 ariary farany teo iny fa mba saiky hiantso indray aho. Ary dia tamin'ny hafaliana lehibe indray no nandrenesako avy amin'ilay feo fa raha hiantso aho dia mila fahanana indray izy io fa efa nanjavona ilay fahana nataoko farany tao. Faly dia faly tokoa ny tenako ka dia izao tantaraiko izao fa omeko amin'ny foko manontolo ny telma ny fahana mitentina 10 000 ariary mahery ho fijoroana vavolombelona amin'ny fahatsaran'ny asa ataon-dry zareo. Fandraisana anjara fanohanako ny telma tamin'ny nandroahana mpiasa anjatony tao aminy iny nefa dia naka mpiasa hafa vaovao indray izy. Iza hoy ianareo no manana izany zavabita mahafinaritra sy mahafaly tahaka izany fa tsy ny telma? Mandroaka mpiasa maro efa nahazoazo taona dia maka mpiasa maro hafa vaovao izay tanora no betsaka! Soa ihany fa samy Malagasy na ny noroahina na ny mpiasa vaovao noraisiny ary io no porofo fa mitsinjo manokana ny tanora ny telma na dia asiany mafy dia mafy aza ny ray aman-dreny nahavita be fa tsy hahavita azy intsony ka roahina mialoha ny haharetirety azy. Ny tanora ihany koa anie no maro an'isa ka manaja ny demaokirasia tsara ny telma e! Tombony azy manokana ihany koa aloha iny.

Farany dia mahazo tezitra dia tezitra amiko ianareo rehetra tsy mitovy hevitra amiko. Satria mora dia mora ny nahazoako ilay 10 000 ariary mihoatra ka tsy raharahako ny manome azy ny telma fa tsy ho amin'ny fanarenana ny rova na ny lapan'ny tanàna izay haorina indray avokoa. Telma no tena azo itokisana ary dia mendrika azy ny mahazo vola betsaka izay tsy haiko na tafiditra anatin'ny kaontin'ny orinasa na trohin'ny olona sasany mahalala zavatra ary mametraka hatrany amin'ny fitantanam-bolany fa tsy misy manary vola toa ahy izany mihitsy ny mpanjifa ao aminy. Na izany aza te-hibedy an'ilay kidorompamba iny aho hoe fa maninona no afindran'ialahy aty amiko ity aretina manindrahindra ity? Tena tsy mety mihitsy izao fa lasa mametraka ahy ho mpisolelaka mihitsy. Omeo fanafodyahingana aho fa raha tsy izany...

Tsy ho hitanao ao amin'ny Viva TV sy...

2008-07-26 @ 07:15 in Andavanandro

Ataoko fa efa fantatry ny rehetra ny fodiamandrin'ny ngezalahin'ny politika malagasy iray, Atoa Herizo Razafimahaleo, omaly Zoma maraina. Tsy dia fahafatesana tampoka akory io fa efa tsy salama ihany ny lehilahy nanditra ny roa volana farany niainany, araka ny loharanom-baovao iray azoko. Toa manamarina ity loharanombaovao ity ny filazan'ny vaovaon'ny TVplus nandritra ny invité de zoma omaly, fa efa indroa nasaina ny lehilahy saingy tsy afaka  hatrany tamin'ny volana jona. Nisy, araka ilay loharanom-baovao ihany, ny fotoana saika hodiovim-boa izy saingy noho ny fahasorenana tampoka nianjady taminy dia tsy azo notanterahina izany.

Andro maromaro taty aoriana indray dia tsy nahatsiaro tena tampoka izy ka voatery nampidirina tao amin'ny Espace Medicale, rehefa nihombo ny aretina dia nentina teny amin'ny Polyclinique Ilafy indray izy ary tany no tsy tana intsony ny ainy. Amin'ny alatsinainy izao araka ny re no entina midina any Ambositra ny nofony ary amin'ny alarobia kosa vao halevina. Araka ny fijeriko azy, ny mahatonga io fotoana somary taraiky io dia ho fiandrasana ireo havana aman-tsakaiza any ampitan-dranomasina. Nisy moa ny niteny hoe io izany no nolazain'ny mpahita tamin'ny volana janoary hoe hisy mpanao politika iray lehibe hodimandry amin'ity taona ity, nihevitra ny olona raha vao nahita ny lohateny lehibe fa ny goaika antitra efa nanana ny anjara toerany lehibe teo amin'ny fitondram-panjakana, aleo tsy milaza anarana sao lazaina fa manozona, izany lazain'ny mpahita izany kanjo... na izany na tsy izany dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany ny tenako.

Fa zavatra hafa tsy mifandraika amin'iny fodiamandry iny velively ary nanaovana ny lohateny rahateo dia ny olana nitranga omaly folakandro tetsy Soarano. Efa nolazaiko ihany tamin'ny alahady teo (Vavaka manova zavatra) ny fandraofan'ny mpiasan'ny Kaominina ny entan'ny mpivarotra amoron-dalana. Rehefa misy ny tahaka izany dia ny mpiasan'ny Kaominina no manenjika ny mpivarotra. Tamin'ity indray mitoraka ity dia nivadika ny rasa, ny mpivarotra indray no manenjika ny mpiasan'ny Kaominina ary izay tratrany dia voadaroka. Voatery nandositra niafina tao amin'ny Boriborintany (Firaisana io fa tsy paositry ny polisy) voalohany ho fiarovany ny ainy ireo mpiasan'ny Kaominina ireo. Horakoraka ny an'ny mpivarotra amorondalana tamin'io fotoana io. Voatery nambenan'ny polisy kaominaly nandritra ny atsasakadiny teo ho eo ny Biraon'ny Firaisam-pokontany mandra-piparitak'ireo nanenjika ny  mpiasan'ny Kaominina.

Inona moa no nahatonga ny toe-draharaha nampitroatra ireo mpivarotra amorondalana ireo? Atao hoe manararao-pahefana sady mangalatra ry zalahy rehefa mandraoka entana, araka ny filazan'ny mpivarotra amoron-dalana. Amin'ny fotoana tsotra rehefa tsy miserana eny ho eny ny delegen'ny Ben'ny tanàna dia hakan-dry zalahy 500Ar ireo mpivarotra ireo (araka ny filazan'ny mpivarotra izany) dia avelany mivarotra. Rehefa misy tompon'andraikitra miserana anefa dia raikitra amin'izay ny fandraofan'entana. Izay noraofina anefa dia tsy misy tafaverina intsony (fa ifampizaran-dry zalahy angamba) na dia manaiky ny handoa sazy aza ny mpivarotra.

Tahaka ny ahoana moa izany sazy izany? Rehefa te-haka ny entana voaraoka dia mandoa vola 10 000Ar amin'ny fahatrarana voalohany, 20 000Ar raha tratra fanindroany ary 30 000Ar raha tratra fanintelony. Vola ihany izany ho an'ny olona sahirana, vonona ny handoa ry zareo saingy ny entana no tsy hita nanjavonana intsony avy eo. Mijoro ho azy avy eo ny fanoherana. Amin'ity tranga ity moa dia manahirana ihany, mandreraka dia mandreraka ny voasakatsakan-dalana voatery midina an-dalana, lasa tsy matahotra fiara intsony, noho ny ataon-dry zareo; fa tsy mety ihany koa ny mangalatra ankitsirano manala baraka ny Ben'ny tanàna, ataon'ny sasany tia kely.

CUA: ezaka fanatsarana na misy aza ny lesoka

2008-07-24 @ 12:32 in Andavanandro

Tsy azo atao ny manao ambany maso tsy hita ka minia mikimpy eo anatrehan'ny ezaka ataon'ny mpitantana ny tanànan'Antananarivo ankehitriny. Ezahina manko amin'izao fotoana izao ny hanaovana tara ny morondalana ratsy voatra tamin'ny farany ka lasa nampiseho ny tany mena ka toy ireny hoe any ambanivohitra ireny ny tany itsahina. Toy izany koa ny nandrakofana tara ny tsenan'ny Pochard. Izay fitaovana tonga nolazain'ny gazety any no tsy fantatro aloha fa izay zavatra natao izay aloha no hitako. Angaha vitan'izany ihany, any amin'ny fandaminana koa dia taratra ny ezaka hamitana haingana ny raharahan'olona.

Nanan-javatra natao tampoka manko aho tao amin'ny Boriborintany voalohany etsy Soarano. Vao tafiditra ny lalantsara aho hiankavia dia gaga fa lasa efitrano iray lehibe tsy misy efitrefitra no novantanina. Ireo birao maro no milahatra mandray ny olona. Tamin'ny sivy ora sy sasany mahery aho no nandalo tao, tsy dia nahita filaharana loatra intsony aho. Ny birao tsirairay fotsiny no misy afisy manambara ny zavatra ataony. Dia nokarohiko izay nataoko, hitako avy hatrany. Dia noraisina ny taratasy, nasaina nankeo amin'ny fandoavambola eo akaikikaiky eo ihany, nandoa ny vola dia nafindra toerana farany miandry fiantsoana ny laharana. 30 segondra raha nisy dia efa voantso sahady ny anarana fa dia vita ny raharaha natao. Izaho indray no gaga hoe vita sahady ve? Tena tsara tokoa aloha izany.

Ny olana kely, teo amin'ny fandoavana vola (100Ar) dia tsy nisy tapakila fanamarinana. Noho ilay izy 100Ar ve ka manjary fandaniana taratasy fotsiny. Ny namako iray nitovy zavatra atao tamiko anefa dia nandoa 200Ar. Gaga aho tamin'iny ka manao hoe efa misy sanda raikitra isaky ny raharaha ve sa araka ny olona mitondra ny taratasy ilay izy. Samy tsy nisy tapakila fanamarinana io ka tsara jeren'ny Ben'ny tanàna na izay tompon'andraikitra mahefa io tranga io.

Manaraka izany dia momba ity olan'ny fitaterana mankany Moramanga ity. Rehefa dinihina dia ilay koperativa iray tokoa no tian'ny olona fa tsy misy te-handeha amin'ny hafa ry zareo. Vao tonga ny Kompima dia ifandrombahana fatratra raha vao hiditra ny gara fandraisana azy. Nosazian'ny mpitandro ny filaminana avy hatrany nefa ny olona no nanakana sy nifandrombaka niditra tsy nahafahan'ny saofera nihetsika. Enga anie mba ho hitan'ny mpiandraikitra ny tanàna ihany koa io olana io satria tsy nanaonao foana ny olona raha mifandrombaka amin'io fitaterana iray io. Io ihany manko no tena mikojakoja ny fiarany sy mahay mifanampy eny an-dalàna raha sanatria misy tsy fetezana eny an-dalana.

 

hisondrotra ny sanda fandoa amin'ny kolikoly

2008-05-31 @ 09:29 in Andavanandro

Araka ny efa malaza amin'ny fampahalalam-baovao sy ny fitarainan'ireo izay efa niharany dia nisondrotra avo dia avo ny sazy aloa amin'ny tsy fanarahan-dalàna amin'ny fifamoivoizana. Tafiditra amin'izany tsy fanarahan-dalàna izany ny tsy fahampian'ny antontan-taratasy na ny fanadinoana azy any an-trano raha tratran'ny fisavana tampoka.

Ny hany mampisalasala dia hoe 100 000Ar (vola indroan'ny karama ambany indrindra ara-dalàna) ilay sazy kely indrindra tsy maintsy aloa sa 100 000Iraimbilanja (vola saiky atsasaky ny karama ambany indrindra eken'ny lalàna sosialy)? Nisy manko ny gazety milaza ilay ery ambony nefa ny fitarainana heno dia toa manondro kosa ny faharoa. Ambony ampanga ny vola faritan'ny Kaominina nitrangan'ny sazy izay samy manana ny azy.

Mazava loatra fa ity gasy tsy tia hisahirana ity dia midify araka izay azo atao izany handoa any amin'ny ara-dalàna izany fa aleo "manome kely" ilay tratra nisava raha mbola azo atao ihany koa izany. Eo indrindra ny resaka: raha vitan'ny 1500Ar manko ny raharaha teo aloha teo dia mety hisondrotra na hihoatra ny 5000Ar izany vola fandoa eny anivon'ny fanaovana kolikoly izany raha tratra amin'ny atoandro fa mety hihoatra ny 10 000Ar kosa izany raha tratra amin'ny hariva.

Ny mahagaga rehefa mamaky ny gazety dia misy ny manambara fa misy karazana fisavana ara-teknika ny fiara koa eny an-dalambe eny. Nahahendratra ahy io satria toa mampiharihary ny tsy fetezan'ny fanaovana vizity eny Alarobia (na eny Betongolo raha eto Antananarivo) nefa dia toa iniana odiana fanina. Malaza dia malaza koa manko ny fanaovana kolikoly eny nefa toa tsy mety taitra amin'izany mihitsy ny tompon'andraikitra raha tsy hoe izy mihitsy koa no mbola tompon'andraikitra voalohany amin'ny fanaovana kolikoly eny.

Ny mahatsikaiky indray dia mety ho efa rentsika ny 'operation coup de poing' ataon'ny mpitandro ny filaminana amin'izao fotoana izao amin'ny fanerena ny mpitondra sy ny mpitaingina soavalivy tsy maintsy manao aroloha ary ny mpitondra fiara mametraka indray ny fehikibo aroaina. Ny mahavariana dia ity, ny saofera no terena tsy maintsy mametaka ny fehikibo aroaina fa ilay olona eo anilany kosa toa tsy maninona na tsy mametaka io fehikibo aroaina io. Inona ary ity?

fanamarihana: Mety hivoaka atsy ho atsy ny lahatsoratro mahasosotra dia mahasosotra momba ny baolina fandaka malagasy izay nefa hevitro manokana io. Mampiomana ny rehetra aho amin'io nefa miangavy ny rehetra handinika tokoa izay tokony ho izy. Mety hisy koa lahatsoratra momba ny baolina fandaka ihany izay heveriko fa tokony hahafinaritra kosa saingy boky kosa no holazaiko amin'io.

 

Ambohijatovo: Labozia ho an'ny matin'ny sida

2008-05-18 @ 16:21 in Andavanandro

Notontosaina teny amin'ny zaridainan'Ambohijatovo ny androm-pahatsiarovana ireo matin'ny sida rehetra. Araka ny fahalalàna dia sambany vao notsarovana teto Madagasikara ity vaninandro ity. Araka ny resaka dia tamin'ny enina hariva teo no nandrehetana labozia hanehoana izany fahatsiarovana izany.

Nandritra io fotoana io koa no nisehoan'Atoa Firinga Johnson sehatra voalohany hijoroany vavolombelona fa misy tokoa ny malagasy mitondra ny tsimokaretina VIH. Nisy fampisehoana moa nandritra io fotoana io. Nozaraina ihany koa ny labozia narehitra (fa saiky hitazandavitra ny maro amin'ny malagasy ary efa fanaony rahateo izany).

Ny somary nahatsikaiky raha nisy ny fananganantanana ka tonga teo amin'ny hoe hifandray tsy misy tahotra amin'i Johnson fa nisy nampidina tanàna teny an-tsehatra aloha ary dia maro koa ny olona nanatrika no nampidina ny tanany. Ny nahatsikaiky ahy faharoa dia nisy fitenenana tsy sazoka na diso toerana angaha hoe aza ailikilika i Johnson fa sao very irery ihany. Ampiantsika izy...(izany hoe hiara-very aminy isika?). Vazivazy iny aloha an!

Tsaralalàna: Ilay haitrano afovoan-tanàna

2008-05-17 @ 04:39 in Andavanandro

Hotel Sharon, Pharmacie Centrale, Archives nationales et à la fin c’est “seulement” le département de la logistique du ministère de la santé (côté ouest de la Pharmacie Centrale) qui a pris feu suite à un court circuit, dirait-on. Non! Après un bruit qui circule très rapidement faisant état de l’incendie de trois premiers sites cités précédemment s’est avéré finalement “fausse” après vérification; Ce sont les maisons très anciennes où se trouvent exactement à leur centre qui ont été victimes du feu aujourd’hui vendredi. On estime quand même la valeur du dégât à environ un milliard d’ariary sélon le ministre de la santé Jean Louis Robinson vénu expressement sur place.

   

Dia tsy miraharaha izay teny frantsay diso any aho satria tsy tenin’ikaky na tenin’ineny ary tsy teniko akory io. Nahagaga ahy fa dia nahavita io aloha aho. Tokony ho tamin’ny roa tolakandro teo ho eo no nanomboka ny fahenoana ny fielezan’ny setroka sy ny afo ka nampiolomay ny rehetra. Mifanila amin’ny “petite vitesse”, lalana manaraka ny tambohon’ny gara eny Tsaralalàna, ny trano ka nihazakazaka avokoa ny mpivarotra madinika hamonjy aina. Nanakatom-baravarana avokoa ny mpivarotra lehibe, ny an’ny karana mazava loatra, tapaka rahateo ny jiro ka izay manana gropy ihany no miasa ao an-trano. Mifanohitra amin’izany kosa fa indreny nihazakazaka ny jiolahimboton’Isotry te-hanararaotra ny toe-java-misy angaha. Soa ihany fa nosakanan’ny polisy, manana ny toeram-piasany eo ampitan’ny fitoeram-panafody indrindra, ny lalana mankany tsy hitsofohan’ny te-hijerijery fotsiny. Ny mpanao gazety ihany no nahazo alalana hanakaiky ny toerana.

Ny tsikaritra tamin’ity toe-java-misy ity ihany koa dia tany Ankadifotsy, Antaninandro, Behoririka no maty jiro sahabo ho adiny iray teo ho eo. Velona kosa anefa ny jiro teny Analakely sy Soarano. Nanomboka tamin’ny fotoana nahamay ny trano fitoeran’entan’ny minisiteran’ny fahasalamana, misy ny fitoeran’ny lay misy odimoka, ny kidoro, dabilio(?) ary fitaovana maro samihafa, tamin’ny roa ora voalaza etsy ambony ka hatramin’ny fotoana nandalovako teny tamin’ny valo ora alina dia mbola tsy niverina ny jiro nanomboka teny amin’ny Tana Plaza, ka hatreny amin’ny Cotona, mipaka eny Ambodifiakarana makeny amin’ny fasan-dRainiharo, amin’iny Ampasamadinika iny ka miolika aty ampitan’ny Conforama (National Store) ka mianavaratra manatona ny lapan’ny tanàna haorina indray saingy heveriko ho tsy tratran’ny aizina kosa ny Arikady.

Tahaka ny hafahafa izany hoe Zoma tolakandro ka tsy nisy fiara firy nandalo anoloanan’iny Boriborintany voalohany iny. Tsy nanaiky ny hisian’ny mpivarotra amorondalana mihitsy koa moa ny kaominina ka nalaladalaka tsy ahalalàna andro tsena manaraka iny lalambe Andrianampoinimerina (Ambodifilao) iny. Nivaha anefa izany nanomboka tamin’ny 5 ora sy sasany ka nahazo atsasak’adiny teo ho eo ny mpivarotra amoron-dalana hanao ny ataony. Oadray, miova koa izany zavatra tantaraiko izany.

Tamin’ny valo ora alina, tsy mbola nahita an’i Tsaralalàna maizina toy izany aho, nefa dia betsaka tokoa ny olona nifanaretsaka fa efa misy koa moa ny mpijorojoro mazava alina tsy hita endrika ao anaty aizina ao. Ny tobin-dasantsy ihany no ahitana jiro mirehitra. Hita ihany fa misy olona miala ny tranony amin’iny faritra iny, raha noheverina ho voafehy manko ny afo tamin’ny dimy mahery teo ho eo dia mbola tsy maty ny setroka na dia tamin’ny sivy ora alina aza (notazanin-davitra kosa io). Manahy angamba ry zareo fandrao miitatra ny afo ka aleo mankany amin’ny olom-pantatra aloha. Mahavariana anefa fa marobe tsy misy toy izany kosa ny olona amin’iny lalana Lacoste iny.

Tsikaritra fa nandritra ny haitrano dia tsy mbola mahalala marina izay trano may ny olona teny amin’ny manodidina teny. Ilay zandary nanontaniako aza namaly fa ny Arisiva nasionaly no may miaraka amin’ny ampahan’ny tranon’ny minisiteran’ny fahasalamana. Hitan’ny olona, tazan-davitra, ihany ilay trano saingy tsy fantany hoe inona moa io trano (midadasika na dia ntaolo aza) io. Izay no antony iray nampisaritaka ny filazan’ny olona hoe inona ilay trano may. Tsy nino ilay Arisiva aho satria fantatro ihany ny toerana misy azy fa ampita atsimo (mifanila amin’ny Caisse d’apargne) nefa ny trano (na faritra) tratra ampita avaratra. Niserana iray minitra teny manko aho (tena hoe iray minitra) nanamarina hoe taiza ho aiza tokoa moa izany may izany. 

Tsaralalàna[Pharmacie centrale]: Trano may indray e!

2008-05-16 @ 12:58 in Andavanandro

Mahavariana fa dia misy trano may indray ao Tsaralalàna ao amin'izao fotoana izao ( zoma 16 mai 2008). Nanontany aho fa sao dia ny tobin'ny mpamonjy voina sy haintrano no may amin'izany? Angamba dia ho sampona fa tatitra tsy voamarina no milaza fa ny Hotel Shalimar io may io. Ny resaky ny olona moa tonga dia milaza fotsiny hoe:" Miala hetra indray izany fa be loatra ny hetra!". Asa anefa!

Fanitsiana: Ny Pharmacie Centrale no may

tantara mahatsikaiky: manenjika sarety

2008-04-30 @ 12:18 in Andavanandro

Noho ny tsy fahafahana firy dia izay sisa voangona aloha no omena ary heverina ho ao anaty fahafinaterana no andafasana ny vaovao. Tsy ilay tantara akory no mahafinaritra fa ny fomba intatarana azy no mba ezahina ho tsy hahasosotra loatra.

Tany amin'ny faritry Betioky any ity tantara mba lazaina ity. Tena nisy ity fa tsy noforonina tsy akory. Nahatsikaritra sarety dimy feno sokatra tsy azo aondrana (radiata) ny zandary sy ny fokonolona ka nanenjika azy ireo. Fa dia tena mandeha haingana mihitsy ireto sarety ireto rehefa natao ny fifanenjehana satria ny iray ihany sisa no tratra, fa ny hafa tsy hita nanjavonana. Tsy fantatro hoe tarihina soavaly ve sa misy maotera ireo sareto ireo... na ny mpanenjika koa no mandeha an-tongotra maka aina isaky ny telo kilaometatra. Fa dia nahatsikaiky ahy ihany aloha ny nandre ilay izy e! izaho izay vao haingana no nanoratra hoe "hakalin-tsarety" ity.

 

Diego: Hadalana ny hamerina ireo zaza mania any amin'ny ray aman-dreniny

2008-04-24 @ 10:32 in Andavanandro

Nanana ny akony teto amin'ny firenena ny heloka vitan'ny tanora sasany tao Antsiranana tao, ka nahatery ny mpitondra fanjakana nanao azy ho vaindohandraharaha tamin'ny fiandohan'ity taona ity. Atao hoe zaza tsy ampy taona manko nefa dia efa nahavita hatramin'ny namono olona mba hahatafiditra izay vaovao amin'ny fikambanana Foroche sy Pirates ho kazaran'ny batisan'izy ireo. Raha tazanindavitra dia hita fa saiky karazana maffia tsy mitsitsy mihitsy no natsangan'ireto andian'olona nampihorohoro ireto. Voatery nalefa lavitra ny toerana misy azy ireto zaza mania ireto ka ny tsy ampy taona dia tany Anjanamasina distrikan'Ambohidratrimo no natoby.

Efa hatramin'ny fisamborana ireto zaza ireto no nimenomenona ny ray amandreny fa hainy ny mifehy sy mitaiza ny zanany ka tsy mino izy ireo fa nahavita izany heloka bevava izany ny zanany. Ny fantatra aloha dia nangingina ny resaka karazana fampihorohoroana hatramin'ny namindrana ireto zaza ireto raha i Diego manokana (ny tanàna fa tsy ny faritra DIANA) no lazaina. Amin'izao fotoana izao indray dia re fa hilahatra an-dalambe ny ray amandreny hitakiana ny zanany hody any an-toerana. Fitiavan-janaka tokoa angaha izany. Ny hany manjavozavo amin'ity resaka ity dia ny fitakiana fototra: Takiana hivoaka ny fonja hody any amin'ny ray aman-dreniny ve sa takiana hogadraina any amin'ny fonja any? Raha nisy fitarainana nataon'ny ankizy nania amin'izay tsy rariny mety ho anahazo azy ireo ataoko fa mety hisy rariny ihany izany...saingy amiko karazany sazy ihany ny fanaovana azy ireo an-tsesintany.

Mananjò ny ray amandreny hitsidika ny zanany na dia efa nahavita hatramin'ny famonoana olona aza izy ireo, saingy amiko manokana matoa nafindra toerana izy ireo dia ny mba ho lavitra ny fanalokalofana ataon'izay mety ho lehiben'izy ireo mety tsy mbola voasambotra sy ny fahitana fa sarotra arovana ny fonja any Diego. Manaraka izany ny ampy taona kosa tsy ananany zo hitakiana ny handefasana azy any noho ny fonja manokana ho an'ny olona tena atahorana mbola tokana dia any Tsiafahy. Na hilahatra fahazato faharivo aza izy ireo rehefa any Tsiafahy dia any izany. Tsy nisy olona avy any amin'ny faritra atsimon'i Madagasikara raha nanana namana na tapaka nigadra tany Nosy Lava ka hitaky hoe avereno aty ireny olona ireny no higadra fa tsy any.

Farany, lasa ny eritreritro manao hoe ho an'ny tsy ampy taona anie ka tompon'andraikitra ihany koa ny ray aman-dreny ka tokony hisy sazy ho azy ireo koa e! sa tsy misy izany moa amin'ny lalàna? Izay angamba no mahatonga azy ireo hihetsiketsika tahaka izao ka mahatonga ny olona sasany hiteny hoe ilay fiarovana ny zon'olombelona toa ny mpangalatra sy ny mpamono olona ihany no tena arovany fa tsy misy iraharahiana izay norobaina sy novonoina mihitsy.

 

fjkm Itaosy: Saiky simban'ny mpangala-jaza

2008-04-14 @ 15:34 in Andavanandro

Mpiara-miasa amiko no mitantara ity zavatra nitranga tao amin'ny fjkm Itaosy (tompon'anarana) tamin'ny alahady 13 avrily lasa teo ity. Raha vao niditra tao amin'ny faritry ny fiangonana ny mpitandrina dia nahatsikaritra olona maromaro (lehilahy avokoa) nijorojoro teo ivelany teo. Tsy nisy nanao akanjo velondrirana ry zalahy. Nanontany azy ireo ny mpitandrina hoe manao inona eto ianareo? dia novaliany fa vahiny avy any Antsirabe izy ireo ka mba hiangona. Raha izany, hoy ny mpitandrina, dia tonga dia mandrosoa fa mbola be ny ho avy ka sao mifanelingelina amin'ny lalana. Dia namaly izy ireo hoe andraso aloha fa mbola be dia be izahay no ho avy. Dia lasa ny mpitandrina.

 

Avy eo nisy ankizy maromaro nifanao fanenjika nanodidina ny fiangonana.Tsitapitapitr'izay nisy ankizy tokony ho fito taona nihazakazaka nankany amin'ny biraon'ny fiangonana nilaza fa nisy nitondra any ny zandriny. Taitra ny tao ka nihazakazaka niparitaka nitady ny zaza teny amin'ny elakelantrano avokoa ny lehilahy. Ny diakona amin'io miaraka amin'ny raoby no mivezivezy any rehetra any. Nahatsiaro an-ry zalahy nijorojoro tampoka ny mpitandrina.

 

Nanditra izany fotoana izany, tahaka ny hoe nahazo antso ry zalahy nitondra ny zaza, navelany tany akaikin'i Behenjy (Itaosy) avokoa ny zazalahy efatra nalaina, ka ny telo amin'ireo dia zanak'olona iray avokoa. Niteny tamin'ny tao ampiangonana amin'izay ny mpitandrina hoe "eo akaikinareo avokoa ve ny zanakareo?". Nipararetra avokoa ny iray fiangonana rehefa nahare. Tsy nisy niditra tamin'ny fiangonana intsony ny sain'ny maro. Toy ny very saina ny rain'ny zaza nahita ny zanany nentin'ny olona niverina avy any. Niteny moa ny mpitandrina fa mbola misy namany ao ampiangonana matoa navotsotra tampoka ny zaza saika nalaina.

Halakin-tsarety

2008-04-12 @ 13:01 in Andavanandro

Tena sarotra tokoa ity teny malagasy ity. Marina fa haiko ihany ilay izy saingy ny manahirana ahy dia hoe azon'ny olona ve izay soratako? Io lohateny io izay ahiako fa tsy azon'ny atsasak'izay mamaky. Aleo soratana ihany izay mety ho dikany na tsy dia haiko loatra aza ny teny frantsay:" Vitesse de la charette". Lava be raha toa ka soratako hoe hafainganam-pandehan-tsarety sady sao voakiana mandrakariva fa tsy mety ho fohy mihitsy ity teny malagasy ity.

 

Ny fiainana andavanandro eto Antananarivo no lazaiko amin'io. Tsy ho an'ny maika mihitsy eto amin'ity tanàna ity fa manaraka ny onjan'ny tsy mahara-dalana eny isika rehetra. Ny lalana tery nefa ny sarety tarihina tsy ho afa-mihazakazaka mihoatra noho ny fiara mitandrahatra efa tsy mampaneno anjomara intsony. Dia toy izany ihany koa eny amin'ny lalan'ny mpandeha an-tongotra, efa terin'ny mpivarotra fa ny mpiantsena koa tsy azo terena handaha haingana mihitsy. Ianao no tezitezi-poana irery raha vao maneho tsy fahafaliana ka mety hahazo ny teny hoe fa vahiny avy aiza koa angaha ity?

 

Dia toy izany koa ny fiainana ankapoben'ny Malagasy. Toa tsy miraharaha no fijery azy. Hafa ny lalàna mifehy ny mpiara-monina. Toa tsy natao ho an'ny maika eto amin'ity tanàna ity. Manaraka ny dian-tsarety ny fiara hafa rehetra ka tsy mahagaga loatra raha taraiky lalandava isika amin'ny ankapobeny. Fomba fihevitro ihany anefa izany fa anjaran'ny tsirairay ny mieritreritra.

Telma: Io fanjakazakan'ny mpampiasa io

2008-04-06 @ 15:57 in Andavanandro

Mpiasa aho fa tsy mpandraharaha, noho izany tsy maintsy amin'ny fijerin'ny mpiasa no itondrako ny resaka. Eto aho tsy menamaso amin'ny mpampiasa fa rehefa tsy mety dia teneniko. Satria moa mpandraharaha no mpitondra ny firenena dia tahaka ny tsy manam-peo mihitsy ny mpiasa. Soa aza misy itony bolongana itony hamoahana ny feon'ny vitsy mpihaino sy ny mihavoatsindrin'ny hazolena ampitahorina lava amin'ny hoe "tsy misy ny tsenan'asa ka mahazo miala izay te-hiala fa be ny mpitady". Marihiko fa tsy tratran'izany tranga izany loatra aho fa mandre kosa ny manjo ny mpiasa hafa.

 

Efa nisy ihany ny fotoana delegen'ny mpiasa aho. Raha mahazo izany andraikitra izany tsy maintsy mianatra ny lalàna (dia ny lalàna sosialy na ny lalànan'ny asa izany). Tadidiko tsara fa toy ny mpampiasa ny firesahanao amin'izany "inspecteur de travail" izany. Raha nila hevitra tamina tranga vitsivitsy aho dia izy indray no namaly, nihoa-pampana noho izay nolazain'ny mpampiasa ahy izay Vazaha Tandrefana, hoe ianareo ao ary tsara toerana noho ny mpiasa hafa koa inona indray no takianareo? Vinitra mihitsy aho nivoaka io trano tao Antsahavola io ka nampitamberina ny resadresaka anjorony hoe efa nandray vola tamin'ny mpampiasa ireny "inpecteurs de travail" ireny ka tsy misy ilàna azy intsony. Niditra tao amin'ny birao nisy azy aho dia ery amin'ny 5m miala ny biraony ery no asainy mipetraka ary tsy maintsy miteny mafy miresaka aminy. Tahaka ireny mpiadina mitady mpiasa ireny no nahatsapako ny tenako.Andeha mody lazaiko hoe izaho angaha no mifanahin-jaza fa tokony ho izany no izy.

 

Ankehitriny, mitambolona indray ny tsiahin'ny omaly mieritreritra ny manjo ny mpiasan'ny telma izay iharan'ny fandroahana faobe (efa manakaiky ny arivo) nefa tsy misy tsipalo-teny avy amin'ny fanjakana akory. Efa tsy mahagaga intsony raha ny gazety no tsy miteny ihany koa.Mba mpijery vaovao vahiny ihany ny tena ka mahatsapa ny laharam-pahamehan'ny mpanao gazety any ivelany izany resaka asa izany indrindra ka hoe misy fandroahana faobe amina orinasa iray. Mba manao ahoana kosa ny lanja omen'ny gazety malagasy ny fandroahana faobe mahatratra 900 ao amin'ny telma. Ny gazetiko no naheno io resaka io voalohany fa zoro kely zara raha nahatratra folo andalana no anjara toerana sahaza azy tao anatinatiny tao. Raha gazety vahiny io marina tsy pejy roa natokany ho amin'iny fotsiny? Mety ho diso anefa aho amin'izany vinavinako izany.

 

Fa ny tena sampona dia ity: ny mpiasa ela niasana indrindra no roahina ka soloina tanora 200 heverina fa mahavita ny asa. Tonga manko dia nolazain'ny tompon'andraikitra iray fa tsy maharaka ny haitao ankehitriny intsony ireo mpiasa horoahina ireo ka ho fandaniam-poana fotsiny izy ireo. O ry zalahy! tsy ho antitra angaha ianareo? Tsy maharaka ny lalànan'ny asa intsony angamba aho fa araka ny lalàna eto Madagasikara fantatro dia ny olona nampidirina farany hatrany no tsy maintsy esorina voalohany raha misy fandroahana faobe tahaka izao. Tsy rariny mihitsy satria henoheno fa toa karama telovolana eo ho eo ihany no zo ho azon'izy ireo ho sandam-pandroahana. Olona firy taona sisa dia ho retirety ve no horoahina sahala amin'izao? Tsy firaharahiana ny zo mahaolona mihitsy... olona tsy hisy mpandray na oviana na oviana raha mitady asa fa ny tanora izay kendrena ho ampidirina ihany no be mpitady amin'ny tsenan'ny asa aloha.

 

Na dia heverina fa tokony hihetsika avokoa aza ny vondrokerin'ny mpiasa rehetra manoloana izao toe-javatra izao ary ny sendika no tokony ho lohalaharana amin'izany, dia sarotra ihany ny hanatanterahana izany noho ny haino aman-jery aloha voalohany. Ireo no mpanentana voalohany ka raha tsy misy fitenenana sy famoahan-kevitra hanoherana izao fandroahana tsy ara-drariny, satria sady mandroaka no mampiditra mpiasa izao, avy amin'ireo heverina fa solombavan'ny mpiasa mivantana ireo dia ho potika tanteraka ny tontolon'ny asa eto Madagasikara.Ho nofinofy izany hoe roapolo taona niasana izany fa ho avy ny fotoana 40 taona dia roahina ny mpiasa ka tsy hahazo asa vaovao intsony. Miaraka amin'izany na dia heverina ho mihamahay aza ny tanora dia tsy hisy na oviana na oviana ny fanatsarana ny tontolon'ny asan'izy ireo fa ny sipan'ny deba ihany no mety haharitra ao amin'ny toerany raha mahay mihazona. Ny hafa dia hitaintaina lalandava. Ny tena nahararak'ivy ahy dia ny filazan'ny gazety iray hoe nahazo fampitandremana avy amin'ny BIT sy ny OIT i Madagasikara fa aleo hoy izy amin'ny manaraka ny antsipiriany. Tsy aleo ve tsy miteny rehefa tsy hamoaka fa mahasosotra. Oviana izany amin'ny manaraka izany?

 

Mandinika aho fa tsy miasa ankalalahana ihany ny gazety eto Madagasikara fa matahotra ny mpitantana. Tsy hitako izay hanoherana mpitondra raha ny mason'ny mpitantana ao amin'ny orinasa iasanao aza atahorana. Tsy aleo mangina? Oadray! hay moa tsy misy milaza ny heviny ry zalahy amin'izy ity fa mitati-baovao fotsiny. Mba nilaza ny heviny ihany i Soava ao amin'ny Malaza fa maneso ny rehetra indray no ataony fa tsy manome tsiny ny fanapahan-kevitry ny mpitantana ny telma mihitsy izy. Hamaranako azy dia hoy ny fitenenana iray izay hoe na dia lehibe aza ny vatolampy rehefa tsy miteny angeren'ny vorona. Ny eto indray fisaratsarahana toy ny fasika no mitranga, ary ny fasika any amorontsiraka any tsy vitan'ny... fa tena andevenana mihitsy ary toy ny ilaharana vao maraina mihitsy aza. Enga anie mba tsy ho toy izany kosa ny hanjo ny mpiasa malagasy!

 

Ity setrasetranareo ity: 14 no maty

2008-04-03 @ 20:49 in Andavanandro

Loza mihitsy ange ity ataonareo ity e! Heverinareo fa anareo irery ny lalana. Izao ny vokany: 14 lahy no maty tao anatin’ny indray mipi-maso monja. Naninona anareo izao ireo tra-doza avy tany Tsiroanomandidy hamonjy an’i Vangaindrano ireo?

 

3 Avrily 2008 vao maraina manaraka iny lalam-pirenena fahafito, iray amin’ny lalam-pirenena be mpivezivezy indrindra eto Madagasikara. Niainga avy ao Antsirabe vao maraina ny fiara fitaterana iray nitondra mpandeha vitsivitsy. Tsy feno ny fiara saingy aleo nandeha fa any an-dalana any ve tsy hahita hafa? Lalam-pirenena no andehanana ka hafahafa ihany raha hiadam-pandeha ny fiara. Samy manana ny tanjany na dia izany aza. Raikitra amin’izay ny ankimbahambahana ataon’ny te-hahazo mpandeha nefa kely hery. Tsy nahaleo ka voasongona ihany dia romotra aok’izany ingahy saofera handondona avy ao aoriana. Mitaintaina tsy fidiny ny mpandeha lasa mieritreri-doza hoe oviana no hifandona. Mieritreritra fa toy ny anaty vatam-paty mandehandeha avy hatrany rehefa karazan-tsaofera tahaka itony no mitondra anao nefa taratra ihany fa maro no manana toetra tahaka izany.

 

Kanjo, sahabo ho folo kilaometatra tsy hidirana an’Ambohimandroso. Indro Fiarabe iray haka toaka aty Antananarivo sy fiara fitaterana ‘mazda’ iray nitondra mpiasan’orinasa iray no hita ery ankavian-dalana (mariho fa avy any Antsirabe ny fandraisana ny fitantarana eto). Misy faty maromaro navalampatra teo afovoan’ny arabe, lambam-pandriana roa vao ampy nasarona ireo nodimandry tamin’ny setrasetran’ny sasany ireo. Tsy voaisa izay norakofana teo ka sarotra ny hitantara avy hatrany fa tsy maintsy hiandry ny vaovao rahariva na rahampitso maraina, satria tsy maintsy hisy hitantara io.

 

Nahita io ingahy saofera dia nihaniadana tampoka teo ny fandehany, tsy nisy intsony ilay fifaninanana hazakazaka tsy nifampierana teo. Tsy nijanona teo amin’ny toerana nisian’ny loza anefa izy ka tsy fantatra marina izay antony mety ho nahatonga io loza io. Ny tsipalotra ihany no hotantaraina. Hita fa tena nofaohin’ilay fiarabe (afa-mitarika) tokoa ilay fiara ‘mazda’ ka nataony toy ny nievotra niverina mihitsy. Voatsipy niverina tokony ho any ho any amin’ny 4 metatra miala ny arabe any ho any mihitsy. Fesona tanteraka iny manoloana ny fiara iny ka tsinjo avy hatrany fa tsy nisy noraisina ny saoferan’io ‘mazda’ io. Ny vaovao halina vao re fa tsy nisy niangana (tsy azoko, mbola nisy iray sa...olona telo manko no tsaboina ao amin’ny hopitalin’Ambatolampy) ry zalahy tao amin’io fiara fitaterana io. Naratra mafy kosa ny saofera sy ny mpanampy azy tao amin’ny fiarabe. Eritrereto amin’izany ny halozanareo. Ao anaty fiarabe ve ianareo dia ho pempo tahaka izao koa sy haratra mafy? Azo heverina fa vokatry ny setrasetra indray io.

 

Efa nisy ihany manko vehivavy iray nitaraina fa nisy fiarabe izany nisongona azy. Fiara maivana no nandehanany fa niaiky izy: tsy hita intsony izay nalehan’ilay fiarabe. Midika izany fa mety nahatratra ny 100km/ora any ho any mihitsy ny hafainganam-pandehany matoa tsy tarataratra tany alohaloha tany intsony avy teo. Fa hiverina tamin’ilay loza noho ny setrasetranareo ihany aho. Mahonena ny mijery ireo enta-kelin-dry zalahy nopaohin’ny fahafatesana. Kitapo am-babena vitsivitsy mendrika ho fitondran’ny mpianatra no hany entan-dry zalahy. Manamarika avy hatrany fa mpiasa madinika ireo niharan-doza noterena ho any amin’ny varo-tsy mifody ireo. Hanao ahoana ny fandrenesan’ny fianakavian’ireo nilaozana ny loza? Hanao ahoana ny ho fiainan-ko avin'ny ankizy izay azo vinaniana avy hatrany fa mbola kely? Setrasetranareo mpanana fiara tsy manaiky hosongonana ihany manko izao.

 

Efa tonga tany an-toerana mihitsy ny praiminisitra sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta nijery ny zava-nisy, loa-bolana hoe: “tena tsy azo leferina mihitsy ny gaboraraka mahatonga ny loza tahaka izao, mendrika ny olona mahavita ny zavatra tahaka izao ny sazy henjana indrindra azo ampiharina aminy”. Rariny tokoa ny teny saingy moa fantatrao fa hipia-kelika indray ny zandarin’ny fifamoivoizana hitaky ny anjarany isaky ny fiara fitateran’olona mandalo indrindra indrindra nefa rehefa jerena toa ny mpitatitra entana izay tsy raharahan-dry zalahy loatra no tena mpitera-doza. Ny haka sisi-bola ihany no mahamaika fa tsy ny handamina velively. Toa tsy mba andrenesana sazy ho an’ireny mpitango ny “hilaminana” eo amin’ny taratasim-piara sy tsy hanaovana tatitra amin’izay fandikan-dalàna loatra fa ny olo-tsotra foana no tsy maintsy masaka sady tsy mahazo mamaly afa-tsy hoe manana olona azo hanindriana angaha!

Maimbo toaka,maimbo ampy, maimbo...

2008-03-27 @ 22:14 in Andavanandro

Afakafaka iny ny fetin’ny Paska, fety anisan’ny faratampony eo amin’ny kristiana saingy vitsy kokoa ny olona mankany ampiangonana amin’io fotoana io miohatra amin’ny fetin’ny krismasy na Noely. Na izany na tsy izany tsikaritra fa mihena kokoa ankehitriny ny olona mankany ampiangonana raha raha oharina amin’ny taloha (1980). Taloha manko raha voatery nampiasaina ny akany hipetrahan’ny olona dia efa maro kosa ankehitriny ny ao ampiangonana ihany aza dia fenon’ny mpiangona tsara. Ny isan’ny mponina anefa nitombo dia nitombo tokoa.

Hatramin’ny ela kosa dia miharihary fa ny alatsinain’ny paska no malaza eo anatrehan’ny olona noho ilay fety mihitsy, tahaka izany koa moa ny amin’ny pentekosta. Malaza satria fitsangatsanganan’ny be sy ny maro na mivoaka ivelan’ny tanàna izany na mamonjy ny zaridainan’ny tanàna ihany. Raha zatra ny fiainana teto an-tanàna dia ny fotoana toy itony no ahatsapana fa nitontongana tokoa ny fiainan’ny Malagasy amin’ny ankapobeny. Taloha manko dia ny mankany Antsirabe no nifandrombahan’ny maro, na manana na tsy manana havana ivantanana, na manana na tsy manana trano atoriana. Efa foana ny fiaradalamby nandehanana ho amin’izany ary asondrotry ny fiarakodia mpitatitra mankany ho avy roa na telo heny hatrany ny sarandalana hany ka tsy raharahan’ny olona intsony izany mankany Antsirabe izany. Ny eto an-tanàna sisa no iononan’ny rehetra. Izay no mahafeno ny toerana manodidina an’Antananarivo rehetra rehefa fotoana tahaka izao. Ny eto Antananarivo aloha no mahavantana ahy ka soratako.

Fa ny tsy dia misy mpiresaka firy ho’aho dia ny aoriana na ny alin’ny alatsinain’ny paska. Eo no tena ahitana ny havoretran’ny Malagasy, indrisy, toetra na fanao mila ahitsy. Raha ho an’ny olo-tsotra rehefa mihataka ny tanàna, ny toerana rehetra dia azo anatanterahana ilay fitenenana hoe “ny olombelo-tsy akoho” avokoa na dia ny iray metatra miala ny toerana isakafoanana aza ho an’ny sasany (vao nahita aho fa tsy hoe manitatra tsy akory). Tena mahatsiravina sy maharikoriko. Ny fikambanana na ny fiangonana no maro manokana toerana hanalana poritra fa mbola misy olona mamorona toeran-kafa ihany fa tsy manaiky hofehezina; na dia hoe maika noho ny maika aza ve dia...?

Fa ny teto an-tanàna no tena loza. Niserana teo anoloan’ny lapan’ny tanàna taloha eo Analakely aho fa voasinton’ny hamaroan’ny olona. Efa alimbe io. Ny hita voalohany dia ny hamaroan’ny latabatra eo. Latabatra izany rey olona! Ny karazany eo amboniny kosa dia telo ihany amin’ny ankapobeny. Ny voalohany dia ny karazan-toaka rehetra, efa mahazo mivarotra toaka avokoa moa ny olona amin’izao fotoana izao araka ny tetibolampanjakana 2008 fa dia mandoa ny haba ho an’ny fanjakana fotsiny. Ny eto Analakely no tsy fantatro hoe araky ny fanjakana ho mandoa ny haban’ny fivarotana toaka avokoa ve ireo mpivarotra rehetra ireo. Mafy mihitsy ity fitadiavan’ny fanjakana vola ity fa mahagaga hoe maninona no tsy ekeny mihitsy raha izany fivarotana toaka gasy? Vola ho azy koa anie ireny e! Sa misy tombotsoa manokana ho ana olona ambony sasany mba tsy handoavan’izy ireny haba? Sa rehefa tsy ara-dalàna ny fivarotana azy ireny vao tena mandeha ny tsena?

Ny karazan-javatra faharoa hita ambony latabatra kosa dia ny tsakitsaky miaraka amin’ny toaka. Tsy mirevy kosa manko raha tsy mba asiana tsakitsaky miaraka aminy e! Vao nandalovako atoandro ny toerana maro ireny fivarotana tsakitsaky ireny fa io tany nolokoina menamena ho an’izay mahatadidy io mivadika mainty toy ny feno tsikoko ireny ho’aho. Afon’arina kosa ve no ampiasaina! Tsakitsaky izany anie ka ny kiendiendy no tena ankafizina e! Ny karazan-javatra fahatelo indray moa dia ny fanaovan-doka. Maro anie izy izany e! Raha ampandoavin’ny fanjakana ny hetra mifanaraka amin’izany moa maninona fa mivandravandra hoe tsy mandoa izany ireo e! Ny haban-toerana ihany. Fa ny toera-mpilokana manana anaraka kosa aloha ataon’ny fanjakana mamay mihitsy. Ataony amin’ilay hoe te-hanao eo. Oadray hay moa izay fivarotana anaty trano rehetra no tratran’ny fanondrotana avo telo ka hatramin’ny folo heny avokoa, ary ny artista aza moa izao nampidirina handoa hetra ihany koa. Tsy olana anie ireny raha mazava ny fitantanana ary fantatra ny alehan’ny vola fa toa bakoavin-dry zalahy hilibany fotsiny anie no tena manahirana ka aiza no tsy hitsikasina amin’ny tany (scoop gazetyAvylavitra) rehefa tahaka izay, nefa enga anie mba ho toy ny fianjeran’ny olona sendra tsy nahadingana fotsiny io fa tsyhoe inona tsy akory.

Fa hatramin’izao tsy hitako ihany izay hifandraisan’ny voasoratra amin’ny lohateny. Eo indrindra isika izao. Tamin’izaho nizotra ho eny amin’ny lapan’ny tanàna tamin’io alina io ihany tsy ny hita ihany no tsikaritra fa ny heno ihany koa. Izaho moa hatraty amin’ny gara no miatsinanana. Arakaraky ny hanatonako ary no ahenoako karazam-pofona isan-karazany. Fofona mifaninana ny ho mahery indrindra. Roa no tena “favori” mifaninana dia ny antsoina hoe maimbo ampy sy ny antsoina hoe maimbo toaka. Noheveriko fa efa akaiky sahady ny “metro”, ny tonga tao an-tsaiko voalohany moa dia hoe heno hatraty ve ny fofon’i “metro”? Fa tsy manaiky resy koa ny fofon-toaka, izay no tena mahagravy azy. Fofona roa no tena miady ka tena resy tanteraka ny fofon’arina sy izay endasina na atono eo amboniny. Tsy maka lavitra koa moa ny olona fa rehefa poritra dia maka sisiny na maka miafina ambadika fotsiny dia lasa izao. Aiza tokoa moa ny toeram-pivoahana akaiky eto indrindra? Tena ilay ao Soarano ampitan’ny Boriborintany io marina, fa lavitra ihany ho an’izay poritra an! Tsy mety vita koa moa ilay eo amin’ny ilany avaratry ny zaridainan’ny lapan’ny tanàna io koa.

Fa ny tena mampiaiky ahy dia ny faharetan’ireto olona mirevy ireto? Zakan-dry zareo rehetra ireo ve izany fofona izany sa anatin’ny revy koa? Izaho izay mandalo fotsiny aza saiky nihoaka sa noho izaho tsy mpankafy ilay karazan-drevy mihitsy? Ny tena mampalahelo ahy amin’ity tantara ity dia ilay tanàna no ahiako hanana anaram-bositra amin’izao karazam-pofona izao. Ny mahavariana dia ny mbola hitondran’ny sasany zazakely (latsaky ny dimy taona) amin’izao alina izao koa. Tena tsy hitako izay antony fa dia mahery tokoa angaha ny fanintonan’ny revy ka rehefa tsy hita izay hametrahana azy dia aleo entina. Nefa dia tena fampijaliana azy ireny mihitsy ange izany e! Dia ahoana raha te-hatory ny ankizy? Teny andalana hody indray aho no nifanena tamina tovovavy vitsivitsy ka ny hafa mitazona ny namany izay varimbarina. Fa vao nifanehatra akaiky izahay dia fofona “maimbo olombelona” matanjaka be araka ny fitenin’Itrimobe no re. Nihorona ny hoditro iray manontolo. Teo aho no tena niaiky fa tarazo ratsy tsy afaka amin’ny Malagasy (indrindra fa ny avy eto Antananarivo sy ny manodidina ny havoretrana) fa raha tsy izany tsy nisy ilay fomba fitenenana fandre talohan’ny fanjanahantany manao hoe “maimbo olombelona maimbo olombelona lanin’Itrimobe i Fara”. Sady mbola maro rahateo ny Malagasy fady manorina kaboney hatramin’izao.

Tsara ho fantatra 7 momba an’i jentilisa

2008-03-15 @ 19:21 in Andavanandro

Mahaliana ny maro izany famoahana tsiambaratelo izany. Io araka ny fahalalako no niandohan’ity taga niely nanerana ny tontolombolongana malagasy (blaogasyfera) ity. Ny olana dia ny fivoahan’ny tsiambaratelonao tsy tianao ho fantatry ny hafa. Noho izany dia ho diso fanantenana indrindra izay mikaroka tsiambaratelo ato anatin’ity lahatsoratra ity. Tsy tsiambaratelo intsony rehefa mivoaka ho fantatry ny rehetra.

Na dia eo aza izany fandisoam-panantenana avy amiko izany dia mba manana izay momba ahy tiako ampitaina ihany aho ary eo ampikarohana ny hamenoana azy ho fito araka izay nifanarahan’ny nametraka ity taga ity tany ampiandohana.

Voalohany amin’izany ny anaram-bositra fahakely. Iray ihany ny anarambositra tadidiko nomena ahy fahakely ary ny boaikelin’ny tanàna no nametraka azy. Tsy dia hitako loatra ny handavana ilay anarambositra. RaColonel izany anarambositra izany. Tsy natao hoe Ramiaramila fa tonga dia nomena grady avy hatrany. Niely vetivety io anarambositra io araka ny fahalalako azy satria na dia mipetraka amin’ny toerana be mponina aza aho dia misy olona mahalala ahy amin’ny alalan’io anaram-bositra io hatrany amin’ny iray kilaometatra manodidina. Inona no mety ho anton’ny anarambositra?

Iray mety ho anton’izany ny fandeha: tsy mba tia mitaredretra fandeha izany aho ary tsy mba tia mivilivily ihany koa. Tsikaritry ny akama io ka dia jereny toy ny manao matso hatrany aho rehefa mandeha. Mety ho anton’izany ihany koa ny fifidianana fialamboly tiana tamin’izany fotoana. Nanao skoto aho ary tsy dia tiako loatra izany mivory tsy mitondra ny fitafiana voatokana. Azo hamarinina tamin’ny nanolorako tena hanao fanompoam-pirenena ivelan’ny tafika ny fironako tamina fikambanana mitondra fitafy mifandraika amin’ny an’ny miaramila na dia afaka ny nanohy avy hatrany ny fianarana teny amin’ny ambaratonga ambony noho ny taonako aza aho.

Faharoa manaraka izany dia mihevitra ny maro ary ao anatin’izany ianareo mianakavy fa toy ny olon-drehetra tsara mihitsy aho. Manana kilema tsy hita maso mivantana anefa aho. Olona manam-pahasahiranana ara-pandrenesana aho indrindra fa amin’ny sofina havia. Fahakeliko (talohan’ny fahafolo taonako) aho dia ny sofina roa mihitsy no tsy naheno. Tamin’izany fotoana izany dia bedy hatrany aho rehefa mihaino radio satria efa madilo amin’ny ao an-trano ny feo nefa dia mbola tsy reko tsara foana hany ka nakariko hatrany ny haavom-peo.Raha misy ny olona ambadiko miantso ahy dia mety tsy ho henoko mihitsy hany ka noheverina ho mpanao bemarenina aho. Tsy fidiny ahy anefa izany.

Teo ho eo amin’ny faha-11 taonako teo aho no tratran’ny sery be ka nanisindelo matetika. Teo no nisy zavatra kely toa nipika tamin’ny sofiko havanana ka nandrenesako bebe kokoa nefa mbola tsy ampy noho fandren’ny olona amin’ny ankapobeny ihany io toe-javatra io. Efa nisy ny fivoarana saingy tsy maintsy manapa-kevitra ny handeha na hipetraka amin’ny ankavian’olona mandrakariva aho mba hanarahako tsara kokoa izay resaka mandeha. Raha izay hibitsibitsika amiko dia aleo mitondra ahy mihataka ny toerana fa ny olona hafa eo akaiky eo indray no mety hahare kokoa noho izaho. Ny nampihomehy dia mora mikoropaka aho na dia tsy mandre tsara aza.

Noho io fahasembanana io dia matanjaka be ny masoko. Mora mahatsikaritra zavatra aho ary azo lazaina ho mahiratra tokoa. Na izany aza tsy manana hery manokana hahita ao amin’ny maizina aho tsy akory.

Fahatelo manaraka izany dia betsaka ny zavatra tsy zakako: ohatra amin’izany ny akanjo “synthetique”, tsy mahazaka fofona solika ihany koa aho indrindra moa fa ny fofony ao anaty fiara fa dia midegaoba avy hatrany. Tsy ahazoako aina koa anaty fiara fitaterana ka mikatona avokoa ny fitaratra, aleoko aza tratran’ny tsio-drivotra maherihery. Be ihany koa ny zavatra iniako tsy kasihina toy ny sakay na zavatra hafa masiatsiaka, ny toaka ka anatin’izany ny labiera izay ananan’ny malagasy fiavahana aza eny fa na dia ny rano misy gaza aza dia tena tsindraindray noho ny hetaheta tsy mahita rano tsotra. Tsy mahafa-ketaheta ahy ihany koa izany ranom-boankazo izany fa na dia misotro aza aho dia tsy maintsy hitady rano tsotra hatrany koa aleoko rano tsotra avy hatrany no bobohina. Na izany aza dia sotroiko soa amantsara ny fanasan’ny Tompo. Ny zavatra tsy mety afaka amiko kosa dia ny sakafo somary bebe menaka efa dia laroiko lasary bebe vinaingitra no tena itiavako azy.

Fahaefatra, tsy afaka miafina intsony aho na tsy mahafina ahy intsony ny solon’anarana jentilisa. Efa mahafantatra ahy avokoa ny iray toeram-piasana amiko indrindra fa ireo lehibeko, efa nasehon-dry zareo ahy ankolaka izany. Heveriko ho tsy dia misy ny olana hatramin’izao satria tsy fanaoko loatra ny miresaka momba ny asako amin’ny bolongako (blaogiko). Tsy mety loatra manko izany raha eo ambany fahefan’ny hafa ary entina manavaka ihany koa fa ny zavatra ataoko na soratako dia tsy misy idiran’ny orinasa iasako mihitsy. Tsy ny ao amin’ny orinasa ihany no mahafantatra ahy fa na dia ny solontenam-panjakana aza. Anarany no niova toeram-piasana aho fa dia nisy manamboninahitra izay nitsidika tao amin’ny birao ka nitabataba ny solonanarako teo anatrehan’ny mpiara-miasa “vaovao” sy ny lehibeko: “ah! Jentilisa marina! Inona ny vaovao ry Jentilisa a?”. Mpiara-miasa (vehivavy) hafa indray no tezitra taminy ka nanao hoe:”tsy mety rangaha ny paikanao fa manaoainina olona fotsiny ianao a!”.

Manaraka izany indray, ny andiamboky vitako voalohany indrindra tadidiko dia ny gazety boky “Sekoly Alahady” misy ny tantara antsarin’ny baiboly nanomboka tamin’ny Fiandohana (Jenezy na Genesisy) ka hatramin’ny sarin-dabozia fiton’ny bokin’ny Apokalypsy ary tamin’ny teny Malagasy manontolo izany. Nandritra ny fialantsasatra lehibe tany Fianarantsoa no namitako io andiamboky nahatratra roa baoritra io. Ny andiamboky faharoa vitako indray dia ny andiantantaran’i Arsene Lupin nosoratan’i Maurice Leblanc iray manontolo. Tadidiko tsara mihitsy fa boky lehibe mahatratra 1300 pejy amin’ny endri-tsoratry ny baiboly na kelikely kokoa noho io aza no novitaiko tao anatin’ny tapabolana fa vita ho’aho. Taorian’izay dia lasa boky milaza na manambara ny olombeloona sy ny Saikolojiany sy ny toetrany, na izay rehetra manodidina ny fahaizana syny fahendrena no nahaliana ahy ka tsy latsaka amin’izany ny fanadihadiana momba ny finoana kristiana.

Farany dia sambany aho no namoaka lahatsoratra hatraty an-trano nefa dia tsoriko fa fahefak’adiny vao tafavoaka ny fametrahan-dahatsoratra ary tsy fantatro hoe haharitra hafiriana vao ho tafavoaka indray. Mba toroy hevitra aho ry zareo fa dia 9.6kilobips isantsegondra ve no mba fandraisana sy fandefasana azon’ny aterinetiko natao prepayé. Dia ho hita koa ny hevitrareo mianakavy e!Inona no tokony ho novidiako mba hoaradalana ny fahafahako mivoivoy amin'ny aterineto eto Madagasikara.

Hery manokana amin'ny ahoana?

2008-02-27 @ 12:16 in Andavanandro

Manahirana mihitsy ity teny malagasy ity indrandray. Noho ny vondro-tafika manokana nalefa tany Antsiranana farany teo dia te-handika ny teny hoe "forces spéciales" ho "hery manokana" ny ankamaroan'ny gazety mivoaka amin'ny teny malagasy. Dia tena dika nalaina tamin'ny teny frantsay tokoa. Na ny gazety aza dia manao azy ho soratra mihorirana noho ny fisalasalana. Dia mba manoro ihany hoe ataovy hoe tafika manokana rehefa manahirana ny teny hoe vondrotafika manokana na vondrotafika voafantina e!

Fa resaka mpitandro ny filaminana ihany na dia somary miova aza ny lohahevitra. Henjana mihitsy ny fifanarahana mangina amin'ireto fiara fitaterana "mpandika lalàna" (tsy fantatra intsony izay lalàna nodikaina fa rehefa nandika dia nandika hoy ny polisin'ny fifamoivoizana. Miala any ny taratasy fakana ny antota-taratasinao izay voasazy. Raha tazanina tsotra io taratasy io dia tsy mandalo any amin'ny ambaratongam-pahefana ambony any izany fa mety ho noforonin'ireto mpitandro ny filaminana ireto. Tsy misy laharana tapakila fa dia amin'izao fotsiny e! izany hoe izay tokony hahatakatra dia mahatakatra fa tsy hipetraka any amin'ny komisaria mihitsy ilay antota-taratasinao fa any amin-dry zalahy ihany. Noho ny zany raha sazy mahatratra 60.000Ar no tokony aloa raha tena voasazy tokoa dia 5000Ar ihany no aloa. Io tsy mpamily no maka azy fa ny mpanera, izany hoe manana anjara vola ihany koa ny mpanera maka ny taratasy fahazoandalana hamily sy ny miaraka aminy.

Dia mahavariana ahy avy eo ny mahalala hoe "tsy tian-dRavalomanana" ny hanafoanana ireo mpanera amin'ny fiantsonan'ny fiara ireo. Moa ve tsy efa famoronana "mafia" anatin'ny sampan-draharaham-panjakana ny tranga sahala amin'io tantaraiko io?

Mila fitandremana ny mamoaka vaovao

2008-02-19 @ 12:50 in Andavanandro

Nahavariana tato ho ato fa be dia be ny famoaham-baovao tsy marim-pototra nefa niely haingana dia haingana tokoa. Nahavariana fa na dia ny fampahalalam-baovao efa ela nihetezana aza dia tratra soa aman-tsara tamin'ny valin'ny baolina diso sy andro diso. Ny fatratra dia maro ihany koa ny haino aman-jery nanambara izay vaovao diso izay.

Ny faharoa indray dia ny momba ny loza voajanahary mandalo eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Nahoraka dia nahoraka fa nisy olona 9 nianjeran'ny trano tany amin'ny fandraisam-bahiny iray any amin'ny nosy Sainte-Marie. Nisaritaka tanteraka ny filazam-baovao omaly. Nisy nilaza fa maty ireo olona voalaza ireo. Nisy kosa ny nametraka fisalasalana fa tsy mahalala ny tohin'ny raharaha. Ny marina dia tapaka avokoa ny tambajotram-pifandraisana rehetra tany amin'io Nosy io. Dia nanitsy ny tany an-toerana androany atoandro fa tsy nisy namoy ny ainy velively tany amin'iny toerana iny.

Izay ry zareo ny filazana tsotra: mila fitandremana tokoa ny mamoaka vaovao fa manjary manimba ny hasin'ny famoaham-baovao sy ny fitokisan'ny namana rehetra. Tsara ny miala tsiny mazava rehetra tratran'ny tahaka io tranga io fa tsy manafina mangina azy any.

Veloma hatreo ny delestazy dia velona tokoa ny delestazy

2008-02-17 @ 17:32 in Andavanandro

Edrey izany kabarin'ny filoha Ravalomanana tamin'ity faran'ny herinandro ity. "Veloma hatreo ny delestazy" hoy ny teniny tamin'ny fanokanana ny gropy (velomina amin'ity solika efa mihalafo ity) izay ahafahana manome herinaratra 42 megawatts araka ny fitadidiako azy. Sendra izay andro ratsy anefa ity gropy ity fa dia noporofoin'ity andro ratsy mandalo ity fa tsy foana velively ny fahatapahanjiro fa tena "velona" tokoa.

Tapatapaka ny jiro eto Antananarivo amin'izao fotoana izao, na aiza io na aiza. Ny manodidina aloha dia mihafy amin'ny fahatapahana maharitra. Ny mahavariana ary izay no ampitahako aminy dia nototosaina soa aman-tsara ny lalao iraisam-pirenena  nihaonan'ny AS Adema sy ny Young African androany ary teo Mahamasina izany. Tsy orambe akory no eto andrenivohitra fa erikerika miverimberina sy rivotra somary mafimafy...

Tena efa antitra tokoa angamba ny fitaovana sa inona indray re no mety ho fialantsiny manaraka e?

Lasa aiza i jentilisa?

2008-02-09 @ 14:39 in Andavanandro

Tena miserana vetivety aho ry zareo. Milaza fa tsy farofy tsy migadra fa salama soa amantsara. Ny hany tsy anoratako dia tena sahirana mihitsy aho amin'izao fotoana izao ka na ny mivoivoy aza tsy mbola afaka. Na nisy nanoratra aza any amin'ny mailaka dia mbola tsy afa-niijery mihitsy aho. Na izany na tsy izany dia tsy maintsy miverina aho rehefa malaladalaka kokoa.

Ny vaovao tena be dia be fa noho ny fotoana mihitsy no tsy ahafaha-mampita azy. Ohatra: nohidiana ny "couloir de la mort" noho ny fanamboarana. Ny mampihomehy dia mbola eny amin'ny toerany soa aman-tsara ny mpivarotra rehetra amin'iny lalantery iny. Dia mandeha mizotra soa amantsara ihany koa ny mpandalo. Rehefa lazaina fa tapaka ny lalana tsy misy mino fa mandeha ihany. rehefa eo ampototra eo vao gaga hoe hay tapaka tokoa.

Dia tena eny tokoa angaha no mba toerana tokana ivarotany ka tsy hiteny aminao mihitsy izy hoe "mihidy ny lalana any". Zarany aza ianao mandalo eo amin'ny tsenany aloha. Dia izay vaovao fohy indrindra noho ny fotoana samborina izay no mba ampitaiko aloha fa amin'ny manaraka manao bebe.

Oniversiten'ny fampihorohoroana?

2008-02-01 @ 07:45 in Andavanandro

Rehefa ny fikambanana no miditra amin'ny fakana an-keriny olona atao takalon'aina dia tsy eken'ny mpanaja ny demokrasia ho ara-dalàna ny zavatra ataon'ilay fikambanana. Na ho inona na ho inona hamafin'ny zavatra mihatra tsy fanao izany afa-tsy hoe miditra amin'ny lojikan'ny ady ka raha maka takalon'aina aho dia mety tsy ho voasambotra aloha ho fitsimbinana ny ain'ilay takalon'aina fa raha votsotra kosa iny dia hifampitana amin'izay ny mpanao fanjakana sy ny mpanao takalon'aina. Izany hoe ny fakana takalon'aina dia efa fihantsiana ady sy fiokoana tanteraka. Amin'ny lafiny iray ihany koa dia efa ny fikambanan-jiolahy te-hifampitana amin'ny fanjakana sy/na miaro ny tenany tsy ho voasambotra no miditra amin'izany fakana an-keriny izany.

Ataoko fa efa maro amin'ny mpamaky ny nandalo na nianatra tamin'ny Oniversiten'i Madagasikara amin'ny ankapobeny. Efa maro no nahita ny fitokonana saiky fanao isan-taona tamin'ireny toerana ireny. Efa nisy ny nanao fanakanan-dalam-be na lalam-pirenena ihany koa ho fanehoam-pitakiana. Tsy mbola miresaka ny zavatra takiana mihitsy aho eto aloha.Mbola azo leferina ihany ny zavatra toy izany satria tsy manohintohina mivantana ny ain'olona hafa fa tena laviko sy melohiko tanteraka kosa ny fanaovana izany fakana olona an-keriny hatao takalon'aina izany na inona na inona antony. Hitantsika amin'ny gazety androany fa nanao takalon'aina tompon'andraikitra tao amin'ny Oniversite tao hoe ny mpianatra ... ary dia izay ihany koa dia nanaiky hifampiraharaha ny tompon'andraikitra hafa ... ho fitsimbinana ny aina angamba! nefa dia misy tsoa-kevitra mazava be mivoaka amin'izany dia hoe rehefa mitaky zavatra ianareo rankizy dia ataovy takalon'aina i rano na sy i ranona fa hivaha ho azy io olana io. Andeha atao hoe milamina aloha izany ny resaka tranon'ny mpianatra noho ny fanafahana ilay na ireo takalon'aina. Fa moa tsy hiverina vetivety indray io olana io afaka kelikely fotsiny? Dia tsy ho ela angamba dia ho be ny hihevitra fa noho ny fianarana naka takalon'aina tany amin'ny Oniversite no nahazatra ny sasany ho mpanao takalon'aina rehefa tsy mpianatra intsony.

Mampihomehy mahatsiravina ihany ny toe-draharaha. Ny fototry ny olana manko dia ny fahazoana taratasy nataon'ny tompon'andraikitra ao amin'ny Oniversite hialana amin'ny trano onenan'ny mpianatra. Taitra ny fikambanan'ny mpianatra ka nihetsika tamin'ny alalan'ny fikambanana isam-paritra. Dia lasa ny eritreritro manao hoe tena resaka trano ihany ve no fototry ny olana? marina fa sarotra ny mitady trano fa izaho koa mba mahita tsy rariny amin'io fizarana trano io raha mbola azo lazaina hoe fizarana trano no filaza azy.

Voalohany amin'izany tsy rariny izany ny tsy fahazoan'ny mpianatra avy amin'ny fari-piadidian'Antananarivo zo hahazo trano eny amin'ny Oniversite 'satria akaiky izy ireo'. Eritrereto ny mpianatra avy any Antsirabe, Tsiroanomandidy ary Anjozorobe fa any amin'ny an-jatony kilaometatra no misy azy ireny nefa tsy mety hahazo trano onenana, raha tsy diso aho dia efa roapolo taona mahery no nisian'izay trangan-javatra mbola mitohy mandraka ankehitriny izany. Samy mpianatra ihany ary samy malagasy ihany amin'izay fotoana izay. Efa karazana fanavakavahana mivandravandra mbola tsy nisy nanambara amphibemaso aloha iny.

Faharoa manaraka izany, ary ataoko fa ity no tena nahatonga ny fakana takalon'aina. Efa bizina ahazoam-bola be ny 'mivarotra' ny trano eo amin'ny samy mpianatra. Tsy misy manaiky hiala maina izany ireo mpianatra ankehitriny ireo raha toa ka efa 'novidiany' an'hetsiny eny efa mahatratra an'arivoarivony ariary any ho any vao nahazo io trano io. Ahoana moa izany? Ny mpianatra efa hiala ny toerana no 'mivarotra' izany hoe tsy azy ny trano fa an'ny Oniversite saingy raha misy mpianatra vaovao mitady tranon'ny mpianatra ipetrahana dia 'mividy' amin'io mpianatra hiala io. Izany hoe tsy lasanao akory ny trano fa soratana amin'ny anaranao na anaran'olon-kafa mbola mpianatra ihany koa saingy ianao no mipetraka 'tsy misy manelingelina ao'. Efa lasa fomba fanaon'ny mpianatra io tranga io fa tsy fantatro hoe efa ren'ny tompon'andraikitra ao amin'ny Oniversite ve? Izany hoe misy raharaham-bola mandehandeha ao ambadik'izao fanadiovana izao. Ny tena mahavariana dia misy izany toerana hita fa tokony ho kaboney tany aloha tany fa mahatratra telo na efatra hetsy ny 'vidiny' nefa ny velaran'ny toerana dia 4 metatra toradroa eo ho eo.

Mampahatsiahy an'i Keliberano

2008-01-31 @ 10:23 in Andavanandro

Ho an'izay tsy mahalala ny tantaran'i Keliberano na nampalaza an'i Keliberano dia fintiniko vetivety aloha ny zava-nitranga. Tany amin'ny faritra atsimo misy ny fari-piadidian'i Fianarantsoa sy Toliary iny nandritra ny repoblika faharoa dia nisy famonoana mahatsiravina mpandeha iray taxi-brousse (ampolony no dikan'izany) teo amin'io faritra Keliberano io. Manaraka ny lalam-pirenena fahafito iny izany. Tsy dia fantatra loatra ny antom-panafihana tamin'ny voalohany fa mpanao dabokandro iray no niteny fa izy no tena notadiavina sy nokendrena tamin'io fanafihana io. Vao avy nahalafo omby maromaro manko izy ka nikasa handray ilay taxi-brousse. Teo ampiaingana anefa ranamana mpanao dabokandro dia toa nahatsikaritra zavatra hafahafa teny amin'ny mpitandro ny filaminana teny an-tsenan'omby (mila mijery tantara indray mandeha angamba aho fa na Ambalavao ilay tsenan'omby na Ihosy). Noheveriny fa izy no noresahin'ny zandary tamina Talkie Walkie hoe lasa (tamina taxi-brousse iray). Niala tamin'io taxi-brousse io izy ary niandry fiara hafa indray handehanana.

Akory ny hagagany rehefa nandalo an'io faritra Keliberano io izy fa feno diam-bala ny taxi-brousse nialany ary maty voatifitra avokoa ny mpandeha rehetra tao anatiny. Rehefa notopazana ny tao anatiny dia voasavasava avokoa ny entan'ny mpandeha ary hita hoe nojerena avokoa ny tavan'ireo mpandeha notifirina ireo. Afa-doza ranamana saingy ny hafa no nidiran-doza. Noheverin'ny olona tamin'izany fotoana izany, satria tsy reko ny valim-panadihadiana tamin'izay nanao io heloka bevava io, fa "zandary" angamba no nanao ny sakana ary nijanona soa aman-tsara ny fiara. Ny fijanonan'ny fiara tamin'ny sisiny manko no nieritreretana izany. Vao nijanona dia nitaky ny hijery olona tao ireo "zandary". Vao tafiditra ry zareo dia norarafany notifirina avokoa na mpandeha na mpamily. Ny olona lazondazony rehetra ataoko fa mahatadidy ity raharaha ity. Ny noahiahian'ny be sy ny maro tamin'izany fotoana izany moa dia olona ambony manana anjara toerana tamin'ny fitondrana ihany.

Niverina tao an-tsaina indray izany rehefa nandre sy nahita ny fanafihana nitranga teny Ampangabe (vavahady fidirana an'Analamanga) aho. Saiky fomba fitafy miaramila na mpitandro ny filaminana sy fitaovam-piadiana voatokana no nentin-dry zalahy. Saingy hafa indray ny paika: fiara indray no nanaraka azy. Ny zavatra tsy itovian'ny tantara dia tsy naripaky ny ny 'jiolahy' ny mpandeha. Ny nanaovany azy kosa dia toy ny efa matihanina mihitsy ry zalahy. Ny akanjo sy ny fitaovana moa dia an'ny na mifanakaiky amin'ny an'ny mpitandro ny filaminana ihany.

Efa nomarihan'ny mpamily moa fa tsy azo atao ny mandeha irery amin'ity lalam-pirenena ity fa tsy maintsy mifampiandry mba hanao tohivakana. Fanaon'ny mpandroba manko ny mifandray amin'ny alalan'ny finday amin'ny faritra manodidina azy hahalalany raha misy fiara mety handalo eo amin'ny toerana hanaovana ny fanafihana ao anatin'ny telo minitra eo ho eo. Dia tratra indray izany aloha ny mpanao dabok'andro tamin'ity indray mitoraka ity. Ary manana sampam-pitsikikovana matanjaka mihitsy ny jiolahy raha tsy hoe ry zalahy no manana namana ao amin'ny sampam-pitsikilovana nefa sanatriavina anie izany.

Sao dia Ambohilavatandroka no izy?

2008-01-30 @ 08:52 in Andavanandro

 

Mbola tsy naheno anaran-tanàna Ambohitandroka aho fa ireto sary vitsivitsy ireto no anehoako aminareo hoe sao dia Ambohilavatandroka ary no anarana mety amin'ity tanàna asehoko eto ity. Mba Ambohitandroka ihany ny tanan-dehibe rehetra manerantany fa mba miavaka kosa ity tanànan'ny tanora amin'ny ankapobeny nefa tsy antsoina hoe Ambohijatovo ity na dia izany aza.

 

Ireo ny sary asehoko anareo: vinanio aloha hoe tokony ho sarina inona moa ireo manaloka ireo. Toa bararata toa zozoro nefa voatr'olombelona ireo fa tsy vita nanahary ry zareo a! Ireny tandroka maniry ohatry ny anana mameno ny tanàn-dehibe mankany amin'ny fandrosoana ireny anie no lazaiko anareo e! sa mbola tsy fantatra ihany?

 

Faritra ambony atsinanan'Antananarivo io asehoko anareo io ary mananontanona ny haavon'i Manjakamiadana aza io vohitra io na dia somary ivaiva kokoa aza. Izay mipetraka eny mahalala avy hatrany fa Ambohipo no lazaiko. Hitanareo ve ny mampiavaka io tanàna io indrindra fa eny amin'ny "cité" ary any amin'ny mpianatra? Ny halavan'ny tandroka no tiako lazaina anareo.

 

Takona an'Ambohimitsimbina manko ny ilany atsinanana amin'io vohitra io nefa mba te-hijery fahitalavitra ny sarambaben'ny olona sy ny mpianatra dia akarina avo dia avo ny tandro-pandraisan-dahatsary. Dia lazao fa diso koa ny teny gasiko! moa tsy tandroka no dikan'ny "antenne"?

 

Raha Zavaboary hatrany no hisintonana ny mpizahatany haketo Madagasikara, ny tandroka voatr'olombelona kosa angamba no azon'Ambohipo hisintonana mpizahatany na avy eto an-toerana na avy any ivelany. Ny mahavohitry ny fo an'Ambohipo aloha tsy fantatro loatra fa ny halavan'ny tandroka no hitako. Mba mananontanona ihany koa ny eny amin'ny sitey AnkatsoI sy AnkatsoII fa Ambohipo miavaka mihitsy e! Mampahatsiahy ny radio Netherland (oadray izany fahadisoan-tsoratra!) ery Langaina ireo tandroka maro ireo.

Tena tia

2008-01-28 @ 14:35 in Andavanandro

Ianareo angaha ahoana? noho ny fiatoan'ny karajia dia tsy manana loharanom-baovao loatra intsony aho. Iny manko no tena mba nanarahako ny vaovao eto Madagasikara indrindra ireo tsy mba lazain'ny haino aman-jery loatra. Marina fa manana vaovao ihany aho saingy tena nilefitra dia nilefitra ny fahazotoana.

Na izany aza dia mba hanoratra ihany aho sao ataonareo hoe dia lasa aiza loatra. Eto ihany fa tena kamo e! Fa na dia tsy hitako manontolo aza dia nahenoana akony ihany. Fandaharana mandalo nokarakarain'ny mpanatontosa ny fandaharana randrana mbs ny fandaharana "tena tia", fandaharana hanaovana fifaninan-kira ho an'olon-droa. Ny loka voalohany dia tapakila maneha mankany Paris ho an'olon-droa. Ny hira atao dia tsy maintsy hiram-pitiavana hirain'olon-droa.

Misy dingana maromaro ao fa ny dingana fanombohana moa dia tsarain'ny mpanakanto telo ahitana an'i Samoela (hatramin'ny oviana moa no lasa akaiky ny groupe tiko i Samoela izay tsy nandeha tamin'ny mbs mihitsy ny hirany tany aloha tany?), Rija Ramanantoanina ary Dah'mama. Any amin'ny atsasa-pamaranana vao miditra mandray anjara fanohanana ny mpijery sy ny mpihaino. 25% no anjaran'ny mpihaino amin'io atsasa-pamaranana io ary 35% amin'ny famaranana. Ny fitsaran'ny mpanakanto voalaza teo izany no tena iankinan'ny naoty amin'io fotoana io.

Entina miatrika ny fetin'ny mpifankatia moa ny anton'io fandaharana "tena tia" io. Dia izay aloha fa mba nahita hosoratana aza.

Antaninarenina: Fa ahoana io zaridaina io?

2008-01-26 @ 08:14 in Andavanandro

 

Ny vahiny ihany no mety hahatsikaritra, na ny elaela tsy niserana io zaridaina ao Antaninarenina io. Aleo aloha lazaina fa ny zaridaina lazaiko eto dia ilay eo amin'ny kianjan'ny fahaleovantena. Loza fa mety ho betsaka tsy ny mahalala ny anaran'io zaridaina io ho kianjan'ny fahaleovantena, sa efa mahafantatra ianao. Izay aloha no fahalalako azy e! noho ny tsangambato nanome endrika Madagasikara eo afovoany io sy ny tsangambaton'ny filoha Tsiranana filoham-pirenena Malagasy voalohany hatramin'ny niverenan'ny fahaleovantena no tena nahatsiarovako ny anaran'ny toerana.

Hatramin'ny andron'ny Ben'ny tanàna Razanamasy, raha tsy diso aho, no nisy fivoarana io zaridaina io. Noreharehana fatratra ho efa manakaiky ny any Andafy ny hatsarany. Nomena hikarakara azy rahateo ny "Le Buffet du Jardin" (aza tsiniana aho raha diso no fanoratro teny frantsay e!). Lasa fipetrapetrahana mahafinaritra ny olona ny nankeny.

Saingy raha mankeny kosa ianao amin'izao fotoana izao dia hahatsikaritra fa mihamitotongana indray ny hatsarany.

 

Tsia, diso aho. Mizara roa ry zareo ny zaridaina a! ny amin'ny ilany atsinanana voakolokolo tsara fa ny ilany andrefana zara raha voakolokolo raha atao hoe misy mikolokolo.

 

Ny mpanasaraka ny faritra izany dia ny lalana fizoran'ny mpandeha an-tongotra ahitana ny tsangambato roa nolazaiko teo.

Ny ilany atsinanana amin'io zaridaina io dia toy ny faritra miramirana sy tsara jerena izany. Voahety tsara ny bozaka ary mivandravandra ny fikarakarana e! ny olana aminy fotsiny dia talaky masoandro be ny eny noho ny tsy fahampian'ny hazo manaloka. Ny seza kosa aloha meva rahateo e.

Fa ny ilany andrefana indray rey olona. Oadray! Andeha mody atao hoe faritra maitso anaty tanàna dia tsy maninona na tsy voakolokolo aza nefa mba mahamenatra ihany eo anatrehan'ny mpandalo rehetra. Ny tombony kosa aloha dia be indray ny seza amin'ity faritra ity ary ankavitsiana amin'ireo seza ireo no tsy misy mipetraka mandritra ny tontolo andro. Ilay ahi-dratsy anie tsy maninona ny fisiany raha voalamina hahafinaritra ny maso fa mba mahasosotra kosa raha lasa karazana lobolobo e! Fa anjaran'iza ary ny mikarakara ity ilay andrefan'ny zaridainan'Antaninarenina lazaina amin'ny fomba ofisialy fa kianjan'ny fahaleovantena ity e? Dia tohizo ny dianao re fa eritreritra miserana fotsiny ny ahy.

Bye Bye Karajia

2008-01-19 @ 09:53 in Andavanandro

Tsy lahatsoratra amin'ny teny anglisy akory izy ity na dia natao teny anglisy aza ny lohateny. Vita hatreo izany ny antsoina hoe "karajia" ao amin'ny Radio Don Bosco fa ny karajia ao amin'ny namana serasera sisa no mitohy ( sa moa tsy karajia ilay mitshaty ao?).

Na ho inona manko na ho inona ho tohin'ny toe-draharaha dia efa nanapa-kevitra ny hanolo azy fandaharana hafa amin'ny lohateny hafa ny ao amin'ny Radio Don Bosco. Izany hoe raha nosakanan'ny minisitera ity fandaharana ity hiato aloha, ny Radio kosa no nanapa-kevitra hanajanona azy tanteraka ary hametraka eo amin'ny tantara izany fandaharana karajia izany.

Izaho manokana dia mpankafy ity fandaharana ity sy ny kidaona maraina nanaraka ny fombany,  no namoahako ny andiam-pandaharana maresaka tao amin'ny vondrona ifandraisana an-taratasy imailaka serasera volana febroary sy marsa 2005 izay azonao vakiana eto. Ny tanjona notratrariko tamin'izany fotoana izany dia ny hampifanakaiky kokoa ny Malagasy eto an-toerana sy ny Malagasy any ampielezana amin'ny resaka adi-hevitra. Hitako tena tsy arako mihitsy manko ny fandehan'ny resaka ary nanapa-kevitra aho ny hampita kosa izay iadian'ny aty an-toerana hevitra. Ireo fandaharana roa ireo no tena nampitaiko.

Nanaraka izany dia efa voatohitohina madinidinika teny ihany ny fandaharana "karajia" ka nahatonga ny mpiandraikitra tao handray fanapahan-kevitra hiarovana mandrakariva ilay fandaharana sy ny fahafaham-pitenenana. Indro averiko eto ny efa nosoratako tany amin'ny Politika Fanorona (bolongako tany amin'ny blogspot niresaka manokana ny lalao sy ny politika) tamin'ny 02 marsa 2006 izay raha tsy diso aho dia efa noesoriko io fa tsara tahiry kosa:

020306
Fahalalana sy tahotra
Ataoko fa tsy vahiny amintsika rehetra intsony izany hoe radiô malagasy andraisan'ny mpihaino fitenenana hilazany ny heviny izany. Ny radiôm-panjakana aloha no tsy ao loatra amin'io hatramin'izao fotoana izao ankoatra ny fanontaniana ny vahiny asaina amin'ny fandaharana alahady hariva ireny.

Tao ho ao dia nampiasain'ny sasany hanakorontanana ny saim-bahoaka ilay fandaharana fanaraky ny olona liana amin-kevitra sy zava-misy tantarain'ny mpihaino. Voatery nandray fepetra ny radiô tsy miankina iray malaza amin'ny fahamatorany. Tsy najanony ny fandaharana fa noraisiny naoty aloha ny anarana sy ny nomeraon'ilay mpiantso. Ny andro voalohany sy faharoa nampiharana azy dia niteny mihitsy ny mpanentana fa maro ny olona nihemotra rehefa nanontaniana ny anarany. Maro ny natahotra sao migadragadra fahatany noho ny heviny eo. Tsy hoe misy sivana tsy mahazo miteny ny mpanohitra na ny mpanohana ny fitondrana, hoy ihany ny mpanentana, fa mba ho fandraisana andraikitra amin'izay tenenin'ny tsirairay ihany no antony. Nisy tokoa ny nanararaotra toy ny banga nihomehy alina fony tsy nisy izany, fa dia fanalam-baraka hatrany no nataony. Ny fifidianana rahateo efa mandindona ihany.

 Raha nitohy izany dia na ny fandaharana no lasa tsy nisy maminy intsony na voatery niditra an-tsehatra ny fanjakana. Tsy misy tombotsoa velively azo avy amin'ireo tranga ahiana ireo fa dia ny fahafaha-miteny no ho tankina. Efa nisy tokoa ny olona nanala baraka manam-pahefana mivantana tamin'io fandaharana io ary voatery naka ny horonam-peo mihitsy hamakafakana ny hanadihadiana izay lazain'ilay olona sy ilay olona mihitsy aza moa. Ary dia sarona tao ny ati-doha nanao teti-dratsy. Mety ho efa hitantsika anaty gazety ny momba io raharaha io fa tsy any aloha ny resaka. Amin'izao fotoana izao dia tena nandanjalanja tsara ny teny lazainy avokoa ny tsirairay: ao ny mitsikera ny zavatra ataon'ny mpitondra, ao koa ny miaro na manome antony.

Nihena be dia be ny teniteny foana sy ny fanevatevana olona ary misokatra tsara ny adi-hevitra. Nihena koa anefa etsy ankilany ny mpandray anjara. Rehefa nihaino ilay radiô iray mpanao toy io aho ka tsy mandray anaran'ny mpiantso kosa izy ireo dia hita avy hatrany fa tsy toy ny taloha ka tohin'ny resaka tary amin'ilay radiô voalohany no voatery ho re ao. Efa misy dikany lehibe aloha izay. Izay zavatra toy ny bitika izay no ahitana fa ilaina ny aro-fanina amin'ity fahalalahana ity. Ny Malagasy manko no zatra gaboraraka loatra ka nony injay misy fepetran'andraikitra amin'izay teny lazaina dia manemotra andro itenenana aloha hieritreretana tsara.

 Ny aro-fanina akory tsy fefy anakanana anao ho amin'ny sehatra malalaka na tianao aleha fa fiarovana anao kosa tsy hidaboka anaty hantsana ho maratra na ho faty sanatrian'izany. Eo amin'ity fampielezam-peo ity no ahitana tsara ny fitadiavam-pampandrosoana ny sehatra iriariavany fa ny sehatra tantanin'ny fitondrana kosa ve mba ahitana ny toy izany? Efa tsara aloha ny famelana ny haino aman-jery tsy miankina hanapariaka ny onjam-peo sy sary manerana an'i Madagasikara, na dia voatery hametraka antennes manerana ny faritra tiany anapariaham-baovao aza izy ireo. Fa mifanindran-dalana amin'izay dia mitaky vokatra mahasarika sy malalaka avy amin'ny haino aman-jerim-panjakana izany.

Miala tsiny raha naveriko manontolo. Tsy nisy nanabangako na dia ny hevitro manokana aza.  Efa nametraka aro-fanina ho azy mandrakariva ny mpanentana ny fandaharana tamin'izany fotoana izany. Samihafa ihany koa ny toe-draharaha tamin'izany fotoana izany sy ny amin'izao fotoana izao. Mbola natanjaka be ny teo amin'ny fitondrana na maro an'isa kokoa ny mpanohana azy. Mpiantso ihany koa aho tamin'izany fotoana izany ary tsy natahotra ny nanonona anarana tamin'ny mpandray ny antso.

Amin'izao fotoana izao kosa dia malemy dia malemy ny fanjakana raha ny ampahan'olona mpankasitraka azy amin'ny ankapobeny eto Antananarivo no heverina, hany ka niantsambotra raha vao nahare olona iray nandroso soso-kevitra hoe "na midina eny amin'ny 13 mey aza ny olona dia tsy hanimba zavatra velively tsy akory." Izay feo izay ilay tsy tantin'ny fanjakana sady araka ny fepetra dia tsy azo atao intsony ny midina milahatra eny amin'ny kianjan'ny 13 mey. Manontany tena aho hoe ny eny ihany ve no tsy azo atao sa ny maneho hevitra midina an-dalam-be mihitsy?

Manaraka izany dia nitsinjo izay voasoratra tamin'ny haino aman-jery sy ny tontolom-bolongana aho (fa ity farany ho'aho tsy mbola nahitako mihitsy sa izaho no tsy mahay mijery?) ka azo fintimpintinina toy izao:

Ny vaovaontsika ao amin'ny pejy fahatelo mitondra ny lohateny hoe "misy fetrany" dia mamelively fatratra ny mpanao gazety namany ka ny voalohany nasiany tamin'izany dia filohan'ny onjam-peo mahaleo tena (ajrp), hoy ny fanontaniany hoe "azo sokajiana ho anisan'ny fampahalalam-baovao ve ny fandaharana feno tora-po sy teny tsy voahevitra sy feno fihantsiana Mpitondra toy ny karajia?"

Asa! rehefa famoahan-kevitra manohitra ny fitondrana angamba no antsoina hoe fihantsiana ny mpitondra. Ny ankabeazan'ny olona miditra ao dia saiky matotra avokoa fa raha vao misy ny olona mivaona dia mpiantso hafa ihany no manitsy azy hoe aza ny olona iadiana hevitra no tsikeraina fa ny heviny. Rehefa resy amin'ny adi-hevitra manko ny sasany dia ilay iadiany hevitra no kianiny.

Dia notohizan'ny vaovantsika indray ny fanontaniana ka ny Rdb indray no iantefany:" Mendrika ny fitaizana araka ny evanjely ve ny... fanomezana vahana hanohitra sy hiteny ratsy ny fitondrana...?"

Dia nisy namako katolika izay no tsaroako (izaho moa protestanta) fa manana maopera izay izy mandrisika hatrany ny vahoakan'Andriamanitra hijoro amin'ny marina satria andry iankinan'ny Evanjely ihany koa ny filazana ny marina. Foana ny evanjely tsy misy fijoroana amin'ny marina. Tsy mbola nisy niteny ratsy ny mpitondra kosa tao fa ny ratsy nataon'ny mpitondra no mety ho voalaza tao. samihafa izany teny izany.

Dia teny amin'ny faraparan'ny lahatsoratra moa no nilazany hoe "zara aza mba tsy nakatona teo ny onjam-peo" ka hoy aho hoe "andramo e!". Izao tokoa manko, any amin'ny faritra hafa raha misy ny tratran'ny fanapahan-kevitra sahala amin'izao dia ny onjam-peo avy hatrany no mikatona. Ity kosa dia ny fandaharana ihany no naato. Gaga ny mpanara-baovao: Tsy sahy manakatona onjam-peo angaha?

Misy moa ny hevitra hafa navoakan'ny gazety hafa fa ataoko fa mitovitovy avokoa izy rehetra, anisan'izany ny tao amin'ny madagacar tribune izay anekeko tokoa fa naheno ilay antson'olona tamin'Atoa Manandafy Rakotonirina aho hirotsahana eny amin'ny 13 mey saingy tsy naato moa ny fandaharana.

Farany: ny antom-piampangana moa dia "firaisana tsikombakomba amin'ny fanohintohinana ny filaminam-bahoaka", izany hoe raha ny fahazoako azy dia fanohintohinana ny filaminam-bahoaka ny fiantsoana hidina hilahatra an-dalambe. Marihina fa dia nilaza momba ity raharaha ity avokoa na dia ny haino aman-jerin'ny mpanohana ny fitondrana aza (mbs) tamin'ny vaovao alina, fa ny tamin'ny radio nasionaly kosa dia avy tamin'ny fanambaran'ny holafitry ny mpanao gazety ihany no mety ahenoan'ny olona manerana an'i Madagasikara ny "fampiatoana" ny fandaharana karajia. Na dia ity fandaharana karajia ity ihany aza no nosakanan'ny fanjakana dia najanon'ny Rdb hatramin'ny fandaharana isaky ny alatsinainy maraina amin'ny 10 ora sy sasany ka hatramin'ny 11 ora sy sasany hialana amin'ny fanararaotana hoy ny mpiandraikitra. Raha ny voasoratra amin'ny taratasy fandrarana anefa dia tsy voakasika mihitsy ity fandaharana ity raha ny tokony ho izy fa ny tao amin'ny fampielezam-peo mihitsy no nanapa-kevitra.

Karajia banned by the malagasy government!

2008-01-18 @ 07:26 in Andavanandro

It's also amazing from the Malagasy government to suspend the popular program "karajia"  (discussion) broadcasted by the  Roman Catholic Radio (Radio Don Bosco). There, people can give all their opinion in what they would say about.

Lava ihany izay amin'ity tsy mbola fahaizako maneho hevitra amin'ny teny anglisy izay. Misy didim-panjakana mihitsy araka ny filazan'ny namana nivoaka ny ora tokony hanombohan'ny fandaharana isan'andro. Izaho moa eo amin'ny 8 ora eo ho eo no mamadika hihaino azy, tsy henoko noho izany ny fanambarana fa ny hirahira sisa no nandeha dia gaga ihany aho. Tany amin'ny fandaharana iray hafa "kidaona maraina" no nanehoan'ny hafa ny heviny indray momba ity "fanafoanana" amin'ny teny malagasy fa "suspension" kosa indray amin'ny teny frantsay.

Ny antony araka ny heno dia toa hoe tadiavina entina hanaikana ny olona hilahatra no antony. Olona mpihaino iray moa no nanao izay fitenenana izay ary efa novalian'ny mpanentana io saingy iny no fanararaotran'ny mpitondra hanakatonana azy. Miasà mafy ny Mpamaham-bolongana rehetra fa mandady ny trambo. Mety ho anjarantsika ihany koa ny manaraka, ary mety hisy ny fanakanana ny aterineto raha mitohy izao.

Nisy moa ny niteny tao amin'ny kidaona fa raha tsy afa-maneho ny heviny ny olona dia ahiana ny hielezan'ny graffitii hanehoan'ny olona ny heviny.

 

Tana Terminator

2008-01-16 @ 16:18 in Andavanandro

Araka ny fitadidiako dia izay vao nisy fanafihana nataona jiolahy paositra mpitandro filaminana teto Antananarivo niaraka tamin'ny fitaovam-piadiana dia ny basy izany. Nisy ihany ny filazana taloha fony nodidiana ho tsy ara-dalàna ny kung fu tamin'ny androny, nihorakoraka teny amin'ny manodidina ny hotel de police teny tsaralalàna ny kung fu anjatony tamin'izany fotoana izany. Fa ity nitranga tamin'ity herinandro ity no nisiana fanafihana mitam-basy. Manamarika izany fa dia lasa toy ny miaina anaty lahatsary mihitsy ny mponina eto Antananarivo amin'izao fotoana izao.

Efa hitan'ny rehetra omaly fa nisy jiolahy roa maty notofirin'ny polisy teny Tsaralalàna, azo sambobelona ny iray ary afa-nandositra kosa ny iray. Izay nanatri-maso dia nilaza mazava fa tsy nisy bala nisolifatra mihitsy ny an'ny polisy fa ny an'ny jiolahy no mety ho nisy raha nisy izany. Ny alin'io ihany dia notafihin'ny jiolahy ny paositra tsotra iray teny Antsalovana... moa va tsy toy ny tamin'ny terminator hitako voalohany indrindra miaraka tamin'ny teny hoe "I'll come back" (tsatoka teny anglisy fotsiny io fa ny "je reviendrai" no narahina tamin'ny lahatsary). Valifaty avy hatrany no ambetintenin'ny rehetra.

 (tohiny)

Ahoana tsara? Mpamotika zavabita hoe?

2008-01-14 @ 16:03 in Andavanandro

Dia saiky kamo be aho hanoratra fa aleo aloha soratana ihany. Gaga aho fa hay betsaka na lehibe indrindra fa ankizy no tsy mahalala izany rameva. Izaho angaha no milona amin'ny teny malagasy. Chameau na dromadaire re izany ry zareo tsy mahalala a! fa izao, dromadaire izany no tonga taty amintsika fa tsy chameau, nefa samy karazan'ny chameau ihiany moa ka tsy diso loatra izany ilay voambolana nilazana ny rameva tonga teto amintsika iny. Samy rameva indray aloha no ilazana azy e!

Fa mba fatratra ihany koa ny lahatsoratra novakiako tamin'ny gazety "Ny Vaovaontsika" izay mpanohitra ny fitondrana sady mpanohitra bontolo ny Ben'ny tanànan'Antananarivo. Toa tadiaviny endrikendrehina ho mpamotika ny zavabita indray ny TGV sa Antananarivo? Ny mpamaky ahy dia mahafantatra mazava tsara fa tsy nifidy TGV aho. Fa izany tsy manakana ahy tsy hitsikera izay tsy mety ataon'ny fitondrana kosa. Izay no fahalalahako. Ny sary mivoaka eto izao dia sary nalaiko tamin'ny faran'ny taona tany ho any. Nalahelo aho hoe mba tsy mety loatra izao famotehina izao. Saingy hitako fa ny fiara te-hiantsona mihitsy no be loatra eo amin'io faritra io ka tsy mahagaga raha voadoadoana ireo foto-drafitrasa nahafinaritra kely ireo. Ny tena nahasosotra dia samy toa voaendrikendrika na Antananarivo na ny TGV.

Na izany na tsy izany dia tena misy mikendry zavatra hafa mihitsy ny sasany izay tsy voatonona eto. Hitako manko fa ny soavaly vy indray no te-hameno ny toerana nialan'ny fiara. Na moto io na scooter samy voatonona avokoa. Moa misy ihany koa ny efa zatra mihetraketraka amin'ny firimorimoana mafy ka rehefa manana olana dia ny tsatobato ihany no ifatraran'ny rihitra hampijanonana ny fiara.

Fa ity koa, tena nampieritreritra tokoa ilay nolazaina fa nandeha nankany Afrika Atsimo ny filoha fa samy tsy hita na ny nandehanany na ny nahatongavany teto an-tanindrazana an! hum...

Nahatratra ny taona 2008: itantarako ianareo dia mba itantarao

2008-01-02 @ 07:50 in Andavanandro

Miarahaba anareo nahatratra ny taona 2008 ihany koa izany, hanome fanambinana anareo amin'ity taona vaovao ity anie Andriamanitra amin'ity taona diavintsika ity indray. Dia hotantaraiko anareo izany izay natao nanditra ny faran'ny taona sy ny andron'ny taombaovao e!

Vao marainan'ny 31 desambra dia efa nirotsaka madinidinika hatrany ny orana, tsy nahasakana ny olona teto Antananarivo tsy hiantsena izany toetr'andro izany noho ny fividianana ny kanokanona madinidinika. Dia tsy niomana ny hivoaka ny trano koa izahay tao an-trano fa heverina ho fandaniam-bola fotsiny izany fivoahana ny trano izany sady ny lalana rahateo petsapetsa mba tsy hilazana ny fotaka mety hitsahana handoto ny trano hidirana rahateo.

Dia tao an-trano izany no niandry ny ora hifampiarabana nahatratra ny taona e! Ny "karaoke" ihany no natao masaka ary tsy maintsy nandalo avokoa ny revin'ny sokajin'olona rehetra, hatramin'ny lehibe ka hatramin'ny zaza madinika... ny an'ny ankizy moa izany dia ny hira amin'ny teny frantsay no natao fa ireny no mba hain'ny ankizy. Eo no tena ahatsapana ny fahabangan'ny fanolokoloana amin'ny alalan'ny hira malagasy ny ankizy. Na dia mpandala faratampony ny teny malagasy aza dia noleferina ny hambompo sady mety hisy fiovana filamatra rahateo amin'ity resaka fitenenana ity afaka kelikely any. Ny nahafinaritra dia tsy nisy nijery fahitalavitra (nihoatra ny ora iray) izany mihitsy tamin'io fotoana io, no sady tsy misy hojerena loatra koa ny ao. Ny sarin'ny filoha mikabary ihany no miverimberina nefa ny mpanomana ny kabariny koa angamba tsy dia mahay loatra fa nahamonaina be izany ny nanaraka ny teniny. Tsy naheno izany fisondrotana  nolazainy izany no tsy ao anatin'ny vondron'asa iharan'ny fisondrotana ny tena. Impiry moa no nisy filazana izany fisondrotana izany fa ny anay tsy misy an'izany e! tsy miankina tsinona.

Rehefa nojeren'ny namana ihany koa ny fitsidihana ireny mpikarakara fety ireny dia nolazainy tamiko fa tsy dia betsaka ny olona tany. Heverina noho izany fa mety itovitovizana hataka ny anataonay avokoa ny nataon'ny ankamaroan'ny mponina teto Antananarivo. Mivory isam-pianakaviana dia manao izay hahametimety ny fetiny.

Dia mba tantarao hoe izay nataonareo?

Mibalady eny Anosy (sary15)

2007-12-29 @ 08:15 in Andavanandro

Efa nisy sary teny Anosy ihany nalaiko fony aho namoaka ny vokatry ny tiko hafakely iny. Tsy mbola afa-po aho ka dia nanampy sary hafa indray hianohana ny hakanton’ny tanàna miaraka amin’ny zaridaina sy ny toeram-pijerena azy mety tsy ampoizina loatra. Ny sary voalohany dia ny lalantsara manoloana ny tranon’ny fampielezam-peo Anosy iny. Ataoko fa tokony hahatadidy isika fa lalanamovoka fotsiny io lalana fandiavan’ny mpandeha tongotra io tany aloha tany.  

Ankehitriny efa vita tsara izy. Ho nofinofy sisa izany hoe manaraka ny moron’arabe no aleha tsy hahavovohana ny kiraro rehefa miala avy teo. Saingy raha somary mitodika miankavia toa hijery ny Lycee Moderne Ampefiloha isika nefa manohy ny fitodihana ihany dia hahatazana ny tranombokim-pirenena. Ela ny ela ka nahita azy niloko tahaka izao aho. Taloha manko dia tsy nolokoina mihitsy izy io araka ny fitadidiako. Ny Lycee moa nianarako fahiny. Ny tranombokim-pirenena kosa no niasako fony aho namita ny fanompoam-pirenena ivelan’ny tafika. Tsy ampy taona manko aho ka tamin’izany ka tsy voatendry hivoaka an’Antananarivo.

 

Izay mpandalo eo amin’io tranomboky io dia hahita fa fanasan’ny olona fiara manoloana azy. Ataoko fa tsy antonona ny tokony ho hajan’ny toerana loatra izany hanaovana azy izany. Iriko mihitsy mba ho tokotany maitso na fiantsonan’ny fiara fa tsy fanasana fiara io toerana manoloana sy anatin’ny faritry ny tranombokim-pirenena io. Tsy hita eo amin’ny sary moa ilay trano boribory aoanatin’ny faritry ny tranombokim-pirenena izay tsy mety vita satria na lany na tsy hita ny nalehan’ny vola nanaovana azy. Tokony horavana rehefa tsy vita fa mahamenatra. Ary tokony hovitaina hatramin’ny farany ihany koa ny fandokoana ny tranombokim-pirenena fa toa nitsahatra ilay izy. Izany eo ihany fa andeha isika hizotra ho any amin’ny Lapan’ny fitsarana toerana iray ahafantarana an’Anosy ihany koa. Tsy ny trano loatra no topaza-maso fa ny zaridaina manoloana azy.

 

 

Tsy fahaizako maka sary angamba ka mety ho tsy nanintona fa nahafinaritra ahy tokoa ireo voninkazo nandravaka ity zaridaina ity. Mety ho efa teo foana angamba ity zaridaina ity nefa heveriko fa nisy fivoarana ny tahalan’ny zavamaitso teto na dia izany aza. Fa andeha isika toy ny hizotra hianandrefana rehefa avy manatrika ny vavahadiben’ny lapan’ny fitsarana, izany hoe hitodika hiankavanana toy ny ho any amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny isika. Ireroa tazan-davitra ireroa ny tranon’ny fitsarana amin’ny ady amin’ny fanjakana sy ny resaka kaontim-bola.

  

 

Tao no namoahana ny didim-pitsarana fifidianana Ben’ny tanàna sy ny mpanolontsaina tanatin’ny fari-piadidian’Antananarivo. Mbola resabe moa hatramin’izao ny vokatry ny fitsarana tany amin’ny faritra ambanivohitra ka nahatonga ny tsy miankina matetika resy tampoka raha izy ireo no nitarika tany amin’ny afisy napetaka nanoloana ny biraon’ny Kaominina.

 

 

Samy miandry izay mety didy fanafoanana na fanovana na tsy fanovana indray moa ny mpanara-baovao politika amin’izao fotoana izao. Fa eo ampitan’io tribonalin’ny ady amin’ny fanjakana sy ny kaontim-bola io no misy trano lehibe eo an-dalam-panamboarana iray. Teo amin’ny nanorenan’i Sophie Ratsiraka trano (boribory) iny indrindra fa noesorina moa iny.

 

 

Nojereko ny takelaka fanorenana ary dia hitako tao fa Lapan’ny fitsarana faratampony io eoan-dalam-panamboarana io. Lehibe tokoa aloha no fitazana ny trano e! Fa mitohy ihany ny diantsika. Tahaka ny ela aho tsy nandeha tany amin’ny faritry ny raharaham-bahiny iny. Hay moa ka efa nisy fiovana ihany ny toerana. Voalohany amin’izany ny fitsanganan’ny ‘Institut medical de Madagascar’.  

 

Nahagaga ahy ihany hoe mbola nisy toerana nahafahana nananganana trano tahaka izao ihany ve teo? Dia vita aloha iny. Ny faharoa indray dia ny toerana misy ny Banky iraisam-pirenena, tsy azo sary (tsy azo alaina sary) tsara fa dia io anoloanan’ny Tongoben’ny Elefanta io. Fa nisy fivoarana be ny zaridaina an! Ny mampalahelo moa dia tsy ananako ny sarin’ny zaridaina taloha. 

 

Sady manome endrika meva ihany koa ireo miendrika elo toa fialofana amin’ny hain’andro indrindra indrindra. Toa azoko vinaniana ny mety hamaroan’ny olona misakafo eto rehefa atoandron’ny andro fiasana sy fianarana iny amin’ireo olona tsy afa-mody atoandro. Fa dia manana ny endriny ihany koa ny voninkazo eto na dia misy mora milamaka izany aza ny sasany amin’ireo voninkazo sady ravaka ireo. 

 

Tampina ny lalana ka hiverina indray aloha. Andeha hotohizana mankany amin’ny lalan’ny fitsarana indray ny dia

. 

 

Eto indray dia sarin’ny zaridaina mifefy manatrika ny tranon’ny antontanisa no nalaiko sary indray mandeha. Somary takotakona ny toerana sady voafefy rahateo ny zaridaina. Heveriko fa mila fanavaozana mihitsy ny tontolo maitso amin’ity toerana ity ka mila fahaiza-manao izany. Raha ny hevitro manokana manko dia toy ny vasoka ny zaridaina eto miohatra amin’ny manodidina azy. Jereo ohatra ny eo ampitany fotsiny izay misy ny tsangambaton’Ingahikama.

 

 

Ny mpikarakara sy ny tompon’andraikitra ihany moa no tompon-kevitra farany fa mba soso-kevitra ihany ny ahy.

 

 

Somary naka sisiny kely aho izany fa haka afovoany kokoa aloha 

 

Fa ity sary eto ambany ity dia sary tamin'ny mitataovovonana be izao

 

Raha sary nitodika niatsinanana no nalaiko andro maromaro lasa izay dia nitodika niakandrefana kosa indray aho teto. Ary dia faranana amina sary mendrika peta-drindrina tahaka ny voalohany ihany koa ny farany. Ny fotoana nakana ny ankamaroan’ny sary dia tamin’ny 12 desambra 2007 androm-pifidianana avokoa. Ary dia ny lalana mody ny asiana olona.

 

Fa na izany na tsy izany dia miarahaba an’I Avylavitra sy fcandy izany nanokatra bolongana ho azy tsirairay avy ary dia ahitana ireo sarin’Antananarivo amin’ny faritra isankarazany ihany koa e! araka ny nolazaiko azy moa dia saiky nitovy ny sary navoakanay fa samy manana ny hanitra ho azy na dia izany aza an!

Navoaka androany 29 desambra 2007

  

Sary noelin’Analakely 14

2007-12-26 @ 07:13 in Andavanandro

 

Na dia fetim-piangonana aza no ahafantarana voalohany ny andro Noely dia miaraka amina toe-javatra sahala amin’ireny hatrany ny hanaovan’ny olona azy ho andro fialam-boly ialana vola ihany koa. Tomefy olona, tomefy tsena eny Analakely rehefa andro fety tahaka izao. Indreto misy sary vitsivitsy notsongaina tao anatin’ny andro telo dia ny 22 desambra, ny 24 desambra ary ny 25 desambra 2007 teny Analakely atolotra anao izay any ampielezana any. 

Rehefa mirotsaka maherihery iny ny orana dia ny mpivarotra an-tsisiny no tsy hita voalohany.

 

Indreo milahatra fotsifotsy manome endrika ny tanàna kosa ny tranolain'ny mpaka sary nomen'ny fujifilm.

Fa dia itangoronana tokoa anie ny mijery olona alaina sary e!Fa tahaka ny ahoana tokoa moa ny ao anatin'ny iray amin'ireny toerana fakan-tsary ireny.

Fa dia aleo ianareo no mijery ny ambin-tsary rehetra.

Ny fitohanana teny Isotry tamin'ny 22 desambra 2007.

Arahaba sy vaovao nampalahelo vitsivitsy

2007-12-24 @ 15:25 in Andavanandro

Miarahaba antsika rehetra nahatratra ity ankatoky ny fety ity. Mirary soa antsika rehetra hankalaza amim-pahamendrehana izao fetim-pivavahana izao. Mba hilaza vaovao vitsivitsy aminareo ihany koa satria amin’ny alarobia ho avy izao vao hisy vaovaon’ny gazety. Noho izany dia hisy zavatra mampalahelo soratana na dia fety aza no hatrehina.


Ny holazaina voalohany dia filazana loza roa sosona nitranga teto amin’ny firenena. Ny voalohany dia lozam-piarakodia lasan’ny rano raha nandeha tamin’ny “radier” tany amin’ny faritry Betroka saiky hiakatra ny renivohitra, olona 30 no maty tamin’izany araka ny vaovao farany heno. Maro dia maro ihany koa ny naratra mafy, fiara Tata io niharan-doza io. Ny faharoa dia lozam-piarakodia mitovy amin’io ihany fa Boeing kosa no nivadika tanteraka rehefa nitsimbadimbadika in’efatra: olona valo no maty teo no ho eo ary 30 mahery ihany koa no naratra mafy tsy maintsy nentina tany amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana. Fiara avy any Toamasina hiakatra ny renivohitra ihany koa io, ny fotoana nitrangan’ny loza dia ny Sabotsy hifoha alahady maraina tamin’ny 2 ora sy sasany maraina. Isika izay mahita Boeing dia eritereto izany hoe iny faritry ny fitaratra iny dia nikarepotra tanteraka tsy hita intsony sanatria lasa toy ny sardine ilay fiara.


Manaraka izany indray dia efa nolazaiko ihany fa tsy tokony hanantena hahazo olona mihitsy ny TGV tamin’ny fety izay nataony ny alahady teo tao amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Tena vitsy tokoa ny olona tonga, nangadihady tanteraka tsy nisy olona mihitsy teny an-kianja ary zara raha nisy olona sy fenofeno ny teo afovoan’ny gradins. Nanjary notapatapahan’ny Viva TV mihitsy ary najanona tanteraka mihitsy aza ny fampitana mivantana avy teo. Ny tantara teo aloha no efa nilazako ny hevitro, mbola sahirana amin’ny fetiny ny olona ka tsy hiraharaha izay Noely am-pifaliana izay nataonao tany, efa nanao io koa hoy aho tamin’ny Noelim-pandresena ny Tim tamin’ny 2001 fa dia mitovy ny isan’ny olona tonga. Ny nampalahelo dia nihazakazahan’ny Mbs mihitsy ilay fangadihadin’ny olona tonga tamin’io alohady io entina hamoaham-baovao fa tsy tena mamim-bahoaka akory ianao lany teo. Somary manao izay filazana izay aho satria misy olona mieritreritra fa ao amin’ny mbs aho, nahavariana ahy tokoa fa nisy hevitro vitsivitsy nalain-dry zareo ary navoakan-dry zareo tamin’ny gazety. Indray mandeha ihany aho nividy “le quotidien” ary dia gaga aho fa dia natao hoe nitovy hevitra ve izahay sa naka tahaka?zavatra toy io manko no mety hampieritreritra ny sasany hanombatombana fa mpanoratra ao amin’ny le quotidien aho. Antony iray nahatonga ahy hanakiana mivantana ny filoha ihany koa satria ataoko fa tsy ho sahy hanakiana toy ilay nataoko teo ny mpanao gazetin’ny mbs group.


Na izany na tsy izany dia irariana mandrakariva indrindra ny hahatrarantsika ny fety roa sosona ary hitandrina mandrakariva amin’ny fanamoriana fiarakodia e!

Sary iray tantara telo

2007-12-04 @ 16:44 in Andavanandro

 (tohiny)

Alina Analakely

2007-11-30 @ 09:36 in Andavanandro

Misy ilay hiran'i Jerome Randria izay nanana ny lazany tamin'izany fotoana mitondra ny lohateny hoe Alina Paris, asa mety ho valin'ny hiran'ny Joe Dassin manao hoe "aux champs élysées" ihany koa angamba. Tsy hampitaha velively ireny toerana ireny amin'izay ananantsika fa dia mba mamoaka ny sarin'Analakely amin'ny alina aho, zoma mahafinaritra koa angamba androany dia mba mijery ny alina any indray e! Tsy hijery ireo entana amidy ao loatra isika fa ny zava-boary ao aminy izay voakarakara aloha no mba itodihana kely e!

Indreo hitantsika aloha ny satrana eo afovoan'ny zaridaina izay misy milaza fa tsy ela velona aty amin'ny lemaka ambonin'i Madagasikara izany, hafana dia hafana izany ny fikarakarana ireo.

 (tohiny)

Ekena sa tsia ny fanamelohana ho faty?

2007-10-17 @ 08:17 in Andavanandro

Fanontaniana hiteraka adi-hevitra avy hatrany araka ny fiheverako azy. Nanontany tena tany amin’ny lahatsoratra nosoratany ny namana Tomavana hoe fa angaha mbola mihatra eto Madagasikara ny lalàna momba ny fanamelohana ho faty? Eto Aho no mamaly azy fa mbola manankery tokoa ny lalàna momba izany fanamelohana ho faty izany saingy tsy mbola nampiharina mihitsy hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena indray. Izay didim-pitsarana rehetra manonona ny fanamelohana ho faty dia miova ho fanagadrana mandra-pahafaty ho azy avokoa. Fiheverako azy: tsy mahavita mamono olona fotsiny amin’izao ny malagasy olo-tsotra. Olon’ny fo izy ka onena hatrany raha manao zany fihetsika izany. 

 (tohiny)

Izay manatrika ihany no mahazo

2007-10-16 @ 07:04 in Andavanandro

Misy dokambarotra milaza hoe izay milalao ihany no mahazo eto Madagasikara. Be manko ny miseho ho mahay sy mahita saingy rehefa avy eo dia tezitra na kivy satria tsy novidiana akory ilay notabatabaina. Misy koa ny makasiaka hoe maninona raha tsy miteny rehefa tsy nilalao akory? Resaka loka io ary fahita andavanandro eto Madagasikara hoan’ny mpiloka. Dia resaka loka ihany koa no holazaiko etoana fa tamin’ny Ebit notontosaina farany teo iny ihany. 

 

Ny fihetsiketsehana sahala amin’ireny tsy maintsy misy fidirambola fa raha tsy izany tsy hifofotra amin’ny fanaovana io ny mpanetsiketsika. Hampitaha lanonana roa nisesy teo amin’io lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina io aho. Ny voalohany dia ny fihetsiketsehana momba ny fiarakodia izay noheverin’ny mpikarakara fa fahombiazana tanteraka. Ny faharoa kosa dia fihetsiketsehana momba ny hairaha avo lenta momba ny solosaina sy nymanodidina azy. Samy miompana amin’ny manintona ny olona maro sy ilendalendan’izay tsy mahatakatra ireo fampisehoana roa ireo. Nefa azoheverina fa araka ny nanaovan’ny mpikarakara tsirairay no mety ho tena ati-dohany. 

 

Rehefa miditra eo amin’ny toerana dia takiana ny tapakila; ny an’ny mpikarakara ny fihetsiketsehana momba ny fiara dia hafa ny tapakila fidirana ary hafa ny tapakila hilokana raha te-hiloka ny olona. Fiarakodia avo lenta no loka voalohany sady isafidianana ireo fiara, mifidy fiara iray amin’izay fito atolotra izay mahazo ny loka. Maro isan-karazany ihany koa ny loka manaraka eo ary tsy dia ratsy mihitsy raha ny fijery azy amin’izao. Ity tokoa no tonga amin’iny teny fa izay milalao ihany no mahazo,izany hoe ao amin’ny nilalao ihany no hahitana izay mahazo, ny tsy milalao dia tsy hahazo na oviana na oviana. Efa nampilaza mialoha ny mpikarakara fa havoakany amin’ny gazetyny valin’ny fisarihana izay nahazo tamin’io lalao io. Inona tokoa, olona tsy nanatrikany fisarihana no nahazo ny fiara ka naka ny anjarany izy roa andro taty aoriana. 

 

Ny an’ny mpikarakara ny fihetsiketsehana momba ny soosaina sy ny fiitatry ny zavatra mety ho vitany raha miaraka amin’ny fanovozan-tserasera vaovao kosa dia misy tapany roa ny tapakila fidirana ka ny kelikely kokoa no arotsaka anaty vata lehibe fa ny tapany lehibebe kokoa (3sm x 5sm) kosa tazonin’ny nividy azy ihany hidirana sy ho fanamarinana fa nandoa vola matoa tafiditra ao amin’ny toerana. Amin’ny ankapobeny izany izay niditra rehetra dia karazany atao hoe nilalao avokoa. Ny alahady tolakandro (rehefa faraparan’ny fotoana izany matetika na ny an’ny voalohany na ny an’ny faharoa) no hanatanterahana ny fisarihana. Samy andro maromaro no nanatanterahana ny fihetsiketsehana aloha. Fa izao ary izay no itantarako azy aminareo ka nahatonga ny lohateny hoe izay manatrika ihany no mahazo. 

 

Marihin’ny mpikarakara ity fihetsiketsehana ity fa izay manatrika ny fisarihana ihany no hahazo ny lokany fa rehefa tsy tonga izy ao anatin’ny dimy minitra dia tanterahina indray ny fisarihana hafa mandrapisian’ny nahazo loka sady nanatrika ny fisarihana. Izao anefa, na dia te-hanatrika ny fisarihana fotsiny ianao dia tsy maintsy mandoa ilay vidim-pidirana teo aloha ihany. Tsy hoe rehefa nanana ny tapakilanao ianao dia afaka miditra avy hatrany hijery ny fisarihana fa aloa feno indray ilay vidim-pidirana efa nataonao teo aloha. Fomba fakana vola koa re izany ry zareo! Tsy haseho gazety izany ny laharan’ny tapakila nahazo ny loka raha toa ka tsy teo ilay olona fa olona nahazo ny loka nanatrika teo no tadiavin’ny mpikarakara. Mazava ho azy fa tsy hanatrika eo izay mpitia fanatanjahantena na nijery fampisehoana tamin’ny fotoanan’ny fisarihana iny ankoatra ny hoe nandefa solontena angaha ny olona sady itokisany tsara iny solontena iny. 

 

Hoy aho hoe mba tafahoatra kosa ity fitadiavam-bolan-dry zalahy ity raha izao sa izy tokoa angaha no nametraka ny fepetran’ny fisarihana ka izay tiany ihany io! Fisolokiana ihany izany amiko na dia izany aza satria misy ny voasarika tokony nomena ny anjarany nefa dia tsy raharahiana intsony. Sa mety ho manana fisaina tena vazaha tokoa ny mpikarakara ka mandala ny ohabolam-bazaha manao hoe “ Les absents ont toujours tort”? Izay aloha aho vao nahita hoe fisarihana ka andoavana vola anarivony ariary e ! ny any aminareo any andafy any no tsy fantatro aloha.

Noho ny Tahotra sa fitadiavamPitahiana?

2007-10-05 @ 15:54 in Andavanandro

Hafa indray ity lasa malaza be eto amin’ny tanàna ity nefa tahaka ny efa mahazatra ihany fa niova lasy ny taranja. Efa tratran’izy ity aho fony mbola taratasy no natao dia avy ilay hoe adikao in-21 ity dia hahazo fitahiana ianao fa raha tsy izany kosa dia mety hisy loza hitranga aminao tampoka. Nisy an-dranona tatsy ananona tsy niraharaha fa tratran’ny lozam-pifamoivoizana tampoka. Efa ho roapolo taona lasa izay, izaho moa tsy niraharaha fa tsy nisy voina tampoka nahazo ahy aloha hatramin’izao fa izao mahazo surf maimai-poana mila ho isan’andro izao. 

 

Ankehitriny kosa lasa any amin’ny finday indray ilay zavatra ka amin’ny teny frantsay. Toy izao ny votoatin’ny soratra  satria ny sms no hanaovany azy: “ Tia anao Jesoa ary mahita ny ranomasonao isan’andro. Adikao sy alefaso amin’ny olona sivy ity dia hahare vaovao tsara ianao rahampitso”. Dia izay, izany hoe ny tiany lazaina dia mandania vola eo amin’ny arivo ariary eo ho eo ianao dia hahazo fitahiana…na hahazo tombom-barotra mitombo hatrany ny orinasa celtel, orange ary telma gsm. Dia be tokoa anie ny mandefa azy ry mpamaky hajaina e! izany hoe ny sms moa efa voafetra ho eo amin’ny 120 ihany ny isan-tsoratra azo alefa ka voatery nohafohezina; fa raha tsy izany dia avy ilay hoe hahazo loza kosa ianao raha tsy mandefa. 

 

Ny tena loza, hoy ny mpanolotra amin’ny radio iray dia alina amin’ny 11 sy sasany na sasakalina any mihitsy no mandefa ny sasany fa izay angamba vao nahita handefasana. Efa niezaka ny nanazava ihany izy hoe tsenam-barotry ny sasany fotsiny anie ny fandefasanao io sms io fa e-he…ndrao dia misy fitahiana tampoka nefa dia fitahina mazava be izao!

Hanohitra ve izany ny Depiote TIM?

2007-10-02 @ 17:11 in Andavanandro

Ny gazetin’ny mpitondra eto an-toerana ihany no nakako ity vaovao ity. Marihina hatrany fa amin’ny teny malagasy ilay gazety ka mety tsy hivoaka amin’ny aterineto (Ny gazety taratra ihany no fantatro hoe mivoaka amin’ny teny malagasy ka mivoaka amin’ny aterineto.) Tsy vao androany na omaly ihany koa no nabaribary ho lohateny lehibe eo amin’ny pejy voalohany izy ity fa tamin’ny herinandro lasa. 

 

Ny fomba nanehoany azy ihany koa dia mody natao madinika ny hoe Sendika Kristiana Malagasy ary amin’ny soratra vaventy ny hoe “Toherina ny fampiasana ny vehivavy amin’ny alina”. Rehefa navadika ao amin’ny pejy faharoa mifandraika amin’ny lohateny ny pejy dia nambarany fohifohy tao fa tamin’ny filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 11 jona ary efa mipetraka hodinihin’ny depiote rehefa miditra eo ireo no nametrahana ilay fampiasana ny vehivavy amin’ny alina araka izay tian’ny mpampiasa, ny fampitomboana ny ora hiasana ho 45 raha 40 amin’izao fotoana izao ary ny fampihenana ny andro hakana aina ho 15 raha 30 andro isan-taona  teo aloha. Marihiko indray mandeha fa gazetin’ny mpitondra no nanoratra ireo teny ireo fa tsy ny gazetim-panjakana tsy akory. 

 

Avy eo dia milaza ny tsy rariny aterak’ireo fanapahan-kevitra ireo ny sendikalista namory ny mpanao gazety tamin’io fotoana io ka anisan’izany ny filazana fa tandindomin-doza ny fianakaviana sy ny ankohonana malagasy amin’ity fepetra vaovao ity ary mampihena be dia be ny hery hikarakarana ny ao an-trano no sady mety tsy hihaona intsony ny mpivady (satria amin’io fepetra vaovao io dia azo ampiasaina isan’alina ny vehivavy) ka naran-tsy very no sisa. 

 

Dia gaga ihany aho hoe mahatsapa izany ihany ve ny mpitondra sa ny ao amin’ny gazety ihany no resy lahatra? Koa raha fantatra ary izany antony izany dia handray ny fepetra tokony horaisina amin’izany ve ny depiote ka hahasahy hanohitra io volavolan-kevitra avy amin’ny filan-kevitry ny mnisitra io? Sa hijerena ny fihetsik’ireo depiote vaovao ireo mihitsy no nametrahana azy tao? Dia lasa ny saina mamarana hoe hijery ny rariny ve ny solombavambahoaka vaovao sa avy amin’ny mpitondra ity ka aleo ekena? Mbolo ho hitantsika soa aman-tsara ny valiny.

Nodimandry tampoka i Zafihita (Rafilomena)

2007-09-29 @ 08:08 in Andavanandro

Araka ny tatitra nataon'ireo mpiray hatsikana sy mpiara-miasa aminy ao amin'ny kidaona maraina androany Sabotsy dia nodimandry halina ny namany mpanao hatsikana fantatry ny mpanaraka ao amin'ny TVM antsoin'ny maro amin'ny hoe Zafihita ary rehefa manao sarimbavy dia Rafilomena kosa. Banga iray indray izany ny ao amin'ny tontolon'ny hatsikana.

Tao amin'ny fandaharana tsikitsiky kely isan-kariva antsoina hoe torak'hehy no nahalalana azy voalohany teo amin'ny fiakarana sehatra. Iray amin'ireo mpanao hatsikana ao amin'ny fou hehy ( na foy hehy) izy no sady nanentana mihitsy. Nisy manko ny fotoana somary nahakivy ireo mpiray tarika aminy fa tahaka ny tsy tian'ny olona ny zavatra avoakan'izy telo mirahalahy. Izy no tsy sasatra mihitsy nitarika azy mirahalahy.

Ankoatra ny mahampanao hatsika azy dia miaramila no asa nolazaina ka mety ho marina tokoa aloha izany. Mpikabary ihany koa ny tenany na ankafaliana izany na ankartsiana. Efa nisy ihany ny niteny tamin'ny alarobia fa maty ny lehilahy saingy voahitsy ihany izany fa mbola nankany amin'ny dokotera izy. Kanjo moa dia lasa tokoa izy ity.

 

Ny mpanoratra dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana ary mampahery azy ireo manoloana izao te-javatra azo lazaina hoe tampoka ihany izao. Iangaviana izay te-hamangy mba ho any Ambohitrimanjaka avy hatrany fa tsy hakany amin'ny morgue intsony. Raha misy moa ny filazana hafa mila lazaina dia hotaterina eto ihany.

Mitohy ny fanafintohinana raharaha Bahamas

2007-09-19 @ 09:10 in Andavanandro

Efa tsy zoviana amin’ny maro intsony ity raharaha iray ity amin’izao fotoana izao. Olona efa tsy manara-baovao mihitsy matoa tsy mahalala ny momba azy ity. Ny gazety nivoaka ny talata teo dia samy nahitana avokoa fa hamerina ny vola naloa tany amin’ny banky rehetra Atoa Steve Turmel ary havoaka gazety amin’ny herinandro ny fombafomba hamerenana azy. Azo lazaina fa fanombohan-javatra aloha izay. Fa na izany aza misy ny zavatra mampiahiahy. 

 

Gazety nivoaka androany iray indray no nahitana fa nahatratra 27.000 ireo olona nandoa vola nampanantenaina ho any Bahamas. Betsaka dia betsaka tokoa ny isan’ny olona voafitaka raha inoana io isa io. Izany hoe ny vola kely indrindra azon’ingahy Steve dia mahatratra 2 700 000 000 Ariary eo ho eo. Ny sanda ambany indrindra nalainy manko no 100.000 Ariary ho an’ny mpamafa trano sy ny mpanao zaridaina na mpiambina ihany koa. Ny hafa moa dia avo roa na telo heny mihoatra. Izany hoe tokony ho raharaha lehibe ity raharaha ity fa tsy ho vitavita fotsiny amin’izao. Inona ny olana? 

 

Miahiahy ny maro ankehitriny fa hanjavona ity rangahy ity afaka fotoana fohy. Dia ho samy mody fanina ny tompon’andrikitra isan-tsokajiny. Tsarovy fa valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety no namoahany io filazana io, izany hoe mbola afaka mivezivezy tsara ny lehilahy. Fantatra fa tsy mahazo mivoaka ivenan’ny sisintany aloha izy. Nahahendratra ny rehetra anefa ny nandre ilay raharaha Dorick izay rehefa nahare ny didim-pitsarana nanamelohana azy dia nanana sakay tany aminy tany hoe nafafiny ny mpiambina azy ka afa-nandositra izy. Resaka tsy mampino…dia mety ho izany ihany koa ny an’ingahy Steve ity. Inona no mety ho antony? 

 

Maromaro ireo mihevitra fa tsy miasa irery ralehilahy fa manana mpiaro azy any ambonimbony any. Ireny no mety saiky hiara-mizara aminy ny “haza” azo tamin’ny fanambakana. Raha tratra ranamana ka mitohy ny fanadihadiana dia mety hipaka hatrany amin’ny takona tsy fantatra any ny fiampangana. Hiarovan’ireo dahalo ambony latabatra ireo tena ary dia ezahina izay hiatoan’ny fanadihadiana dia tsy hisy ny fitsarana. Io fitsarana mety tsy hisy io no mampatahotra ny maro. Ny fanonerana ekena fa tokony ho avo roa na telo heny amin’izay naloan’ny nandoa vola no atao fa tsy izay naloa tany amin’ny banky ihany. Vao nikarakara ny pasipaorony avokoa manko ireo olona ireo.

Feno Kamiao miaramila mivezivezy Antananarivo

2007-09-14 @ 16:42 in Andavanandro

Tamin’ny gazety iray no nahitako fa voasava avokoa ny ankamaroan’ny fiara tany Toamasina tany. Natao hitandroana ny fahalemana izany no sady hitsinjovana fandrao misy mitondra zavatra mampiahiahy tampoka any ho any. Tsy mandray ny fanapahan-kevitra toy izany ny tompon’andraikitra raha tsy mahare siosio na vaovao nampitain’ny mpitsikilo, ho isika izay. 

 

Teto Antananarivo indray dia nahagaga ihany fa be ny fiaraben’ny mpitandro ny filaminana no nandalo taty amin’ny faritra atsinanan’Antananarivo, avy any atsimo tany. Na zandary na miaramila (ny polisy no tsy tsikaritro loatra) dia feno azy avokoa. Misy ny nitsitapitapy fa nisy ihany koa ny nitandahatra mihitsy. 

 

Raha nojerena indray ny fitafin’ireo tao anatiny dia tsy ilay tena fitafy mianjaika alohan’ny matso no hitako sady tsy nisy nanao fonontanana rahateo izy rehetra. Raha tsy misy moa rahampitso ny filazana noho ny anton’izao fihetsiketsehana tsipalotry ny maso izao dia andeha atao hoe nanao fanazarantena ry zareo. Fa raha tsy izany kosa, fa inona loatra ary no mitranga any ambadimbadika any?

Tsena vetivety

2007-09-06 @ 07:22 in Andavanandro

Mahery mihitsy isika Malagasy amin’ny fomba fitadiavam-bola. Hay hatrany ny manararaotra amina toe-javatra iray. Ataoko fa endrika iray itarafana ny fahaiza-mivarotra izy io raha tsy fahaiza-manambaka.

 

Mitohy hatrany ny resaka fiofanan’ny sefom-pokontany. Tany amin’ny andiany voalohany dia henjana tokoa ny fanaraha-maso ireo sefom-pokotany ireo na dia tany amin’ny sekoly fatoriana aza. Nambenana miaramila mitam-basy mihitsy ny vavahadin’ny sekoly. Raha misy izany olona hafa te-hiditra dia tsy mahazo miditra. Ireo izay te-hivoaka ny sekoly hamangy havana kosa dia atsasak’adiny ihany no fetra azo ivoahana.

Voarara ny matory any amin’ny havana na dia manana havana na olom-pantatra eto an-drenivohitra aza. Nivaha tsikelikely ihany izany fifehezana izany taty aoriana. Efa mahazo mivoaboaka ihany ireo sefom-pokontany ireo amin’izao fotoana izao. Hazakazaka ny an’ny mpivarotra madinidinika manemitra ny vavahadin’ny sekoly, indrindra rehefa tonga ny hariva. Hita avokoa ny karazan-javatra rehetra any amin’ny antsoina hoe tsena fa ny tena betsaka dia ny fivarotana lamba tonta ( friperia) ihany. Ireny manko no tena be mora vidy, amin’ny ankapobeny dia Ar2000 eo avokoa na Ar1000 ny ankamaroan’ny fitafiana. Tonga eny ihany koa ny mpivarotra kojakojan-tokantrano na zavatra hafa madinidinika. Io karazan-tsena io amin’izao fotoana izao aloha no tsy raofin’ny polisin’ny fivondronana. 

 

Henjana dia henjana manko ny fanadiovana ataon’io sampan-draharaha io na dia efa tonga aza ny ora tokony iravany. Fantatry ny mpivarotra amoron-dalana izany ka izay no mahafeno vetivety ny lalana rehefa migadona ny amin’ny dimy ora sy sasany eo ho eo. Izao kosa dia mivezivezy mihitsy ny fiaran’ny fivondronana ka lasa toy ny hafahafa indray ilay hoe malalaka ny lalana odiana. Raha mba fantatr’izy ireo manko fa hotontosaina eto Antananarivo amin’ity volana ity ny fivorian’ny Ben’ny tanàna ao amin’ny fikambanana « métropolis » ka izay no mampihenjana ireto mpiasan’ny fivondronana ireto. Mety halalaka ihany re io rehefa vita ny fivoriana e.

CUA: Rava trano ny Palestiniana!

2007-07-27 @ 15:53 in Andavanandro

Amin’izao fotoana fikarakarana fatratra ny lalaon’ny nosy fahafito hotanterahina eto Antananarivo izao dia manomana aok'izany (nahitsy) ny toerana manamorona ny kianja sy ny trano itoeran’ny mpilalao ny Kaominina. Mifanindran-dalana amin'izany dia misy koa ny fandravana sy fanesorana izay rehetra heverina ho manaratsy endrika ny tanàna.

 

Raha jerena maika amin’izao dia tahaka ny misosa tsara avokoa ny arabe mety ho fandehanan’ireo vahiny ireo. Saingy raha misy ny mianatranatry ny mandeha taxibe ka mandray azy na mandalo eo amin’ny fiantsonana manoloana ny fakana lasantsy Total ampitan’ny tranoben’ny Fiaro eo Ampefiloha dia hahatsapa tsara ny kintaontaona (lavaka ngeza be mangotatana) amin’io fiantsonana somary mihataka amin’ny arabe mahafinaritra io. Tahaka ny porofo manameloka fa te-ho tsara eo anatrehan’ny vahiny mpifanila sisintany amintsika isika saingy ny tena fahatsapan’ny mponina mandalo kosa dia hahare hatrany ny haratsin’ny lalana tsy raharahan’ny Kaominina. Na izany aza tsy manamaivana ny asa be dia be vitany amin’izao fotoana izao. 

 

Fa fony mbola ampikarakarana ny dobo filomanosana hanaovana ny fifaninanana aho ka mitopy manodidina ny fakana sary dia ho hita akaiky eo ireo trano ratsy endrika tsy ara-dalàna manamorona ny lakandranon’Andriatany (ilay mifanila amin’ny lalamby no tiako lazaina). Dia lasa ny saiko tamin’izany hoe dia ho hitan’ny rehetra izany ireo trano ratsy endrika ireo. Kanjo dia rava trano ny Palestiniana androany maraina vao mifoha. 

 

Ity fitondrana tia sehoseho tia tokoa ve dia hanaiky mora ho afa-baraka amin’ireo trano ireo ? Palestianiana moa no nilazako azy satria na dia mihalehibe aza ny trano vita sady amin’ny biriky sy mitafo fanitso dia tsy tompon’ny tany sy ny trano ry zareo ka tsy menatra ny Kaominina nitondra ny Bulldozer hanjera izay rehetra mijoro. Palestiniana satria na dia efa ampolo taona aza no nipetrahana miafinafina (tsy mitomandavana manaraka ny arabe tsinona fa manaraka ny rano) teny dia tsy mananjo hitaky zavatra loatra eo anatrehan’ny mahery. Saingy manantena ry zareo fa hatramin’ny fiafaran’ny lalaon’ny nosy ihany no tsy mahazo miserantserana eny fa raha vao lasa kosa ireo vahiny maro ireo dia iverenana indray no toerana. Isika Malagasy zatra vonjy tavanandro manko tsy hahafehy mandrakizay ny olona tsy hanangana ny trano indray avy eo. Toy ny tsenan’Isotry ihany e !

Aoka re ry Pata!

2007-07-26 @ 07:36 in Andavanandro

Hendratra avy hatrany aho androany nahita ny lohateny tamina gazety mpiseho isan’andro iray. Tsy dia raharahako loatra ny momba ny antenimieram-pirenena na dia mpanara-baovao politika mavitrika aza aho. Fiainam-pirenena iny ka rehefa ao anatin’ny zony ny filoha handrava dia efa ao anatin’ny lalàna neken’ny vahoaka nifidy azy izay. Fa ity kosa dia miantraika mivantana amin’ny tena ka tsy maintsy amoahako ny fitiavan-tenako ihany koa.

Mpiasa aho ary miasa enina andro anatin’ny herinandro. Ny mahazatra aty Madagasikara moa dia dimy andro isan-kerinandro. Ny ahy kosa ny andro fahaenina dia tsy andro fanampiny hahazoana tambin-karama mihitsy fa efa voafaritra anaty taratasy fifanarahan’asa. Noho izany dia tena ilaiko tokoa ny miala sasatra fotoana lavalava (iray volana amin’ny volana ho avy io) hamoriana hery sy hanaovana zavatra hafa ihany koa. Izao ka tadiavin’ny vondron’ny patirao tanora eto Madagasikara hahena ho 15 andro sisa io zo 30 andro isan-taona io. Pata tahaka azy ireo koa moa ny filoha amin’izao fotoana izao ka azo atao tsara ny manararaotra mampiditra ny hevitra any aminy. 

 

Rehefa re fa kasaina akarina adiny 10 isan’andro ny fotoam-piasana dia ampifanarahana aminy kosa ny fampihenana ny fialan-tsasatry ny mpiasa. Loza ity marina mafy ! Ny siesta kely efa nofoanana amin’ny fotoam-piasana mitohy, ny ora kasaina ampitomboina dia mbola ampiana ity soso-kevitra ity ihany koa ! Sao dia tsy rariny ? sao dia efa tafahoatra ? Te-hiteny hoe mpiasa tsy mitsangana amin’izao efa miditra amin’ny fanandevozana maoderina nefa hatramin’ny oviana no nisy mpiasa malagasy nivondrona hanohitra lalàna manohintohina ny tombotsoany ?

Maharena tokantrano

2007-07-11 @ 17:14 in Andavanandro

Lahatsoratra faharoa androany ity. Nalaza eran’izao tontolo izao ny fahabetsahan’ny mariazy notontosaina tamin’ny 07/07/07 teo iny. Betsaka moa ny resaka efa nandeha tamin’iny fa ny mba tsy aritro dia ny marizain’ny “cousine”-ko nalain’ny gazety ny vaovaontsika sary lehibe teo amin’ny voalohan’ny takelaka sady nisy filazalazana tsotra momba an-dry zareo tao anatiny. Dia faly ny tena ary mitso-drano hoe “maharena tokantrano sady ho arahin-jazalahy sy zazavavy e!”

Nankaiza ny arendriko teto?

2007-06-26 @ 14:51 in Andavanandro

Mialoha ny tsikaritra sy ny fitantarana dia miarahaba ny mpamaky nahatratra ity asaramanitra 2007 fankalazana ny fetim-pirenena malagasy ity. Enga anie mba hahatratra ny tena fahaleovantena tokoa ity firenena mamintsika ity. Manomboka eto dia ny fitantarana ny zava-mitranga ankehitriny eto amin’ny tanàna no lazaiko.

 

 Tiako ihany koa ny manambara fa dia sahala amin’izay tantarain’i Hery ao amin’ny blaoginy ny teny an-tanàna fahazaza. Izaho indray moa tsy tany amin’ny citén’ny tafika fa mifanila amin-dry zareo ihany. Fivoarana ve no misy sa tena efa adino tokoa ny fiaraha-mientan’ny iray tanàna. Raha ny taty aminay aloha da mampahonena mihitsy.

 

 Vao midify ny masoandro ny 25 jona (fa mbola mazava) dia mihitsoka avokoa ny fiara mandeha eny amin’ny arabe lehibebe fa fandalovan’ny maro rehetra eto Antananarivo. Ny farihin’Anosy manko no foiben’ny tanàna amin’ity takariva ity. Te-hijery akaiky ny afomanga efa zary fandefa isantaona manko ny rehetra, na ny kely na ny lehibe. Io no tsy dia nisy loatra tamin’ny andron’ny revolisiona sosialista. Ny tadidiko dia indray ihany no nisy afomanga rehefa 25 jona tamin’izany fotoana izany no sady mahalana be ny fanapoahana azy.

 

 Amin’izao fotoana izao dia efa ifampitadiavana dieny tolakandro ny toerana itazanana ny afomanga. Adino hatreo ny arendrina. Fitondrana ny ankizy hijery fa tsy hitondra fanilo no mahamaika. Mahavariana ihany koa moa fa tahaka ny lasa henatra mihitsy ilay mitondra arendrina. Tsy dia misy firy intsony ny zaza faly hitondra ny kilalao nahafinaritra fahazaza io, eny fa na dia izay natao tanana toy ny jiro kapoaka aza tsy fahafinaretana ho an-dry zareo izany. Lesoka lehibe amin’izy ity angaha ny tsy fifankafantarana sy ny fifaneraseran’ny mpifanolo-bodirindrina intsony sy ny tsy fisian’ny olona mpitarika araka ny tadiavin’ny filoham-pirenena amin’izao fotoana izao. Loza mitatao ho an’ny firenena izany toe-javatra izany raha mandinika tsara isika.

 

 Ny hany mitoetra izany dia izay arendrina arehitry ny olona eny an-davarangany amin’ny alina mialoha ny fetim-pirenena io.

 

 Ambohipihaonan’ny olona faharoa indray ny teny Analakely. Efa fahazarana indray moa io raha vao misy fotsiny ny andro tsy fiasana toy ny amin’izao fotoana izao. Raha mihalefy manko ny fikatsoan’ny fiara any amin’ny arabe lehibebe rehetra dia tsy misy afa-mihetsika kosa ny fiara tafiditra an’Analakely. Tamin’ny 9 ora alina mahery aho no nandalo teny fa tena maro ireo fiara mamono maotera mihitsy. Ny tena olana amin’io fotoana io dia misy ireo vitsy tsy mahatsiaro tena fa mijanona eny afovoany na sisiny mahabahana arabe fotsiny izao. Raha vao tsy hitan’ny polisy manko dia efa izay tiako atao ihany io no manjaka hany ka tsy mitsahatra ny miasa ireto mpitandro ny filaminana ireto.

 

 Fa tsikaritra indrindra dia ny tanora no tena betsaka mifamovoy eran’ny tanàna. Ny atsasaky ny arabe migodana avy eo Andohan’Analakely mankeny amin’ny tahala Rarihasina iny dia efa heverina ho an’ny mpandeha an-tongotra avy hatrany. Mba mivezivezy miaraka amin’ny namana sy mba hanala azy. Fa mahagaga fa tsy dia ahenoana tsipoapoaka loatra na dia amin’ity andro mialoha ny fetim-pirenena ity aza. Asa! Efa lafo ve ny vanja sa enjehin’ny mpitandro ny filaminana izay mivarotra tsipoapoaka? Tsy dia manana vaovao miakasika io aho aloha. Tena mifanesika tokoa ny olona fa mahazo toerana mibahambahana ihany koa moa ireo mpivarotra hanimasaka sy tsakitsaky isan-karazany.

  Dia nikisaka ho any ambanin’ny arcades aho fa noheveriko ho malalaka kokoa ny mandeha eny. Kanjo moa dia feno tanora maromaro miara-dalana mipetrapetraka iny lavarangana manontolo iny. Eny ry zareo no mihinana ny tsakitsaky sy milalao karatra. Tsy misy ahafantaranao mihitsy eny hoe fetim-pirenena anie ity ankalazaina ity fa dia izy fety ihany dia efa izy azay. Kely foana ny tsy handingandinganana azy ireo. Hay tokoa moa misy fandihizana idiram-potsiny ao amin’ny Gara ao! Saingy tsy nakany aho hijery izay tao anatiny fa mahimahina ihany aho ny amin’ny fety idiram-potsiny sady tsy voatery hividy zava-pisotro. Tena mba miizaka ny hamalifaly ny mponina tokoa ny Kaominin’Antananarivo renivohitra e!

 

 Rehefa tonga indray moa ny marainan’ny 26 jona (io fa nahitsiko fa misaotra izay nahamarika) dia any amin’ny matso eny mahamasina indray no mitodika nym ason’ny rehetra. Toy ny fanao isan-taona ihany fa ny hany nampiavaka azy kely dia iny nisy alika mpirenireny anankiray tafiditra ny kianja tao anatin’ny matso indrindra. Ahoana koa angaha no nahatafiditra azy io teo? Nihazakazaka ny anao lahy namonjy ny afovoan’ny kianja ka rehefa tonga tandrifindrifin’ny boriborin’ny kianja izy dia nijanona nitoditodika tahaka ireny mpilalao mitady namana hipasiana baolina ireny. Nihoraka I Mahamasina fa tsy nisy loatra ny tahaka ity. Afaka kelikely (tokony folo minitra taoriana) dia nanakaiky kokoa ny mpanao matso ny alika ary manatrika indrindra ny olona ambony no saiky hiavela ampahibemaso. Voatery nandroaka  azy ny mpiamina ny filoha iray fa mahamenatra ity ataony. Misy voasazy indray amin’iny aloha!

 

 Fa ny hariva moa dia ny mpanakanto indray no hifandimby hihira eo amin’ny kianjaben’ny Mahamasina ihany. Tsy mbola hitako izay hotantaraina amin’io satria vao ho any indrindra aho io.

Tanànan’ny zaridaina

2007-06-22 @ 08:58 in Andavanandro

Miaiky tanteraka aho fa tena mitondra fahafinaretana tokoa ny tanàna iray voaravaka voninkazo. Ny trano kelikely feno sy tsara ravaka voninkazo no manintona kokoa noho ny trano lehibe tsy ahitana zavamaniry mihitsy na dia meva aza ny endriny sy ny bikany. Amin’izao fotoana izao dia mihabetsaka tokoa ny zaridaina eto Antananarivo no hitoetra amin’izay anarana mahazaridaina azy izay : ho voaravaka voninkazo. Izay mandalo eto andrenivohitra dia tsy hisy afaka handa io fivoarana io.

 Efa nosoratako tany an-toeran-kafa fa efa misy rano mifantsitsitra (jet d’eau) mandrakariva eo amin’ny tsangambaton’ny mpitolona 1947 eo Ambohijatovo. Mbola ivaiva ihany ny fitondrahan’ny rano amin’io toerana io aloha na dia mandeha foana aza izy hatramin’izao. Amin’izao fotoana izao dia noesorin’ny Kaominina ny tsangambaton’i Karl Marx eo amin’ny fihodidinana anoloan’ny Antenimieran-doholona Anosy ary eo ampanamboarana toerana hisiana rano mifantsintsitra tsaratsara kokoa sy lehibe ry zareo. Noheverina hovitaina alohan’ny fetim-pirenena izy io nefa toa tsy ho tratra raha ny fijery azy. Mandroso ny asa na dia izany aza.

 Fa miresaka eo Anosy ihany isika dia mba manontany ny olona aho hoe inona no maha-cité des jardins ny cité des jardins eo Anosy Mahamasina io ? fa na tanora eny fa na olondehibe aza toa tsy mahalala ny antony loatra. Izaho ihany koa dia tsy mahalala loatra. Ny hany tadidiko dia izao : tamin’ny andron’ny fanjanahantany dia zaridaina fotsiny no nandravaka iny faritra Anosy sy Mahamasina iny, indrindra fa amin’ilay lalankely mankeny amin’ny anjely mainty efa mihamanja iny. Iny lalankely iny raha ny marina dia toy ny hoe nihalava indroa noho ny taloha. Izany hoe amin’izao fotoana izao dia lasa difotry ny rano na nietry anaty rano ny atsasaky zaridaina fipetrapetrahan’ny vazaha teny. Zaridaina daholo iny tamin’ny andron’ny fanjanahantany hany ka rehefa nasiana fananganan-trano ho an’ny olona ambony tamin’iny toerana iny dia voahosotra ho cité des jardins ireo trano maromaro naorina mbola hitantsika amin’izao fotoana ireo. Aza manontany ny daty nananganana ny trano amiko fa tsy fantatro izany. 

Naleo tokoa natao birao

2007-06-20 @ 15:40 in Andavanandro

Izay mipetraka na mandalo matetika any 67ha eo akaikin’ny fiantsonan’ny fiara mankany Ambohitrimanjaka iny dia efa mety ho lasa saina ihany amin’ity trano vita tsy mety misy mipetraka ity. Trano vaventy sy avo ihany misy rihana efatra raha tsy diso ny fitadidiako. Mifanila indrindra amin’ny Madahotel ary ambadiky ny fiangonana katolika romana Maria manjaka 67ha, manoloana ny arabe lehibe mampisaraka ny 67ha avaratra amin’ny atsimo amin’ny ankapobeny no misy ity trano lasa birao ity. Tokanana atao birao fandraharahana momba ny fakana hetra (Direction Generale des Impots) ity trano lehibe ity. Nafindra ho ao ny birao teny Faravohitra sy ny toeran-kafa izay tsy tadidiko.

 Mpandalo eo aho ka hitantara ny momba azy ity hatramin’ny niorenany. Trano fampanantenan’ny filoha Didier Ratsiraka ka anisan’ny nahatafaverina azy teo amin’ny fitondrana ity trano ity. Nifanaraka taminy ny Seimad fa hanangana trano 35 000 isan-taona izy. Rehefa nandray indray ny fahefana ary ny lehilahy dia nanao io trano io ho ohatra amin’ny trano hafa rehetra izay mety mbola haorina. Dia nasaina nisoratra anarana avokoa izay rehetra mitady trano ka afaka mividy avy hatrany izay vita. Nifandrombahana mihitsy izany fisoratana anarana izany.

 Somary elaela (roa sa telo taona) teo ho eo vao vita ny trano. Nandrasan’ny maro amin’izay hoe iza sy iza avy ary ny tsara vintana ka nahazo ampahany ipetrahana amin’ity trano ity. Efa nalaza moa fa efa misy tompony avokoa ireo efitra rehetra amin’ity trano vaventy ity. Jerena ka tsy misy mipetraka hatrany ny trano. Niongana ihany ilay filoham-pirenena fa tsy hita izay hipetraka amin’ny trano. Gaga tsy sahy nifanontany loatra ny olona mahita ity trano tsy misy mipetraka nefa tsara tarehy ange e! Dimy taona mahery io izany foana fotsiny.

 Na dia tsy misy mipetraka aza ny trano dia misy mpiambina ihany izy io. Ary ambolana aza izay dia vao novolena fefy rindrina sy vy izay lafo vidy mihitsy amin’izao fotoana izao (satria be mpitady na ampiasaina eto an-toerana na aondrana any ivelany). Dia niandry indray ny olona hijery ireo hahazo ny trano. Rehefa tonga ny alina dia efa fijorojoron’ny mpivarotena eo anoloany ary izay mifanaraka amin’izy ireo dia miditra any anaty fefy any ka mankany ambadiky ny trano na mamonjy ny lalantsarany (tsy fantatro loatra tsinona izay tena marina moa izaho rahateo tsy hanontany izany). Izany hoe efa vita ny fifanarahana teo amin’ireo mpijorojoro sy ny mpiambina ity toerana ity. Kanjo izao izy ity ka noraisina hatao biraon’ny mpaka hetra.

 Izao manko no mahalasa saina ahy. Ny toerana tahaka itony raha vao fanaovana pasazy toy izao dia sarotra ny manakana ny zatra tsy handalondalo ao amin’ny fanaony intsony. Tsy hoe tsy azo tanterahina fa ho sarotra. Mifanahatahaka ity manko ilay tetezana afovoany mampisaraka an’i 67ha avaratra andrefana amin’ny 67ha avaratra atsinanana nanana ny lazany amin’ny fanaovana pasazy ankalamanjana (na dia andro diavolana aza). Fepetra henjana avy amin’ny fokontany 67ha avaratra atsinanana mihitsy (satria faritra ao amin-dry zareo io) sady nasiana fefy hazo avo be sy fandrarana misoratra ary fiambenana tamin’ny fotoanan’ny fanapahan-kevitra vao foana ny mahatoeram-pivarotatena azy. Ity trano lasa birao ity anefa dia tsy hisy olona hiasa alina ao tsinona ka mety hanao ny fifanarahana mahazatra azy ihany ny mpivarotena sy ny mpiambina ny trano.

Omeo teny gasy mihitsy

2007-05-31 @ 15:41 in Andavanandro

Nisy mpitondra fiarakodia niresaka fa dia tahaka ny manao mizana tsindrian’ila ihany ny mpitandro ny filaminana indrindra fa ireo misahana ny fifamoivoizana eto Antananarivo. Raha manao fahadisoana ny malagasy dia mihazakazaka aoka izany ry zalahy amin’ny fanatonana ny mpamily ary mitaky ny taratasy sy ny manome sazy. Fa raha vahiny (ny hatsatra mazava loatra) na eo imasony eo aza no manao fahadisoana dia tsy sakanan-dry zalahy mihitsy fa tazaniny tahaka ny flaorà jeren’ny omby fotsiny.

 Misy ny fitaratra ijerena any aoriana no faohin’ilay fiara, ilay mpamily miresaka amin’ny finday ao anatin’izany ary tsy mahalala ny hijanona mihitsy na dia hitany izao aza ny nifaohany ny fitaratry ny olona. Fantany manko fa tsy sahy hanakana azy ireo polisy ireo. Tezitra ny Malagasy mahita izany dia mivazavaza amin-dry zalahy hoe jereo ny zavatra nataony dia nojerenareo fotsiny. Amin’io dia ry zalahy indray no manangam-bovona amin’ny tsy fanajana manam-pahefana. Rehefa tsy manaiky hanome ny taratasy mihitsy ilay saofera Malagasy dia miezaka ny mandamina amin’ny hoe efa hitantsika iny ny fiara dia efa hitantsika ny nomeraony dia tsy hitako intsony izay olana fa azo antsoina hatrany ireny. Tsy manaiky izany valinteny izany ilay mpamily Malagasy ka niteny izy fa hakariny ho amin’ny sehatra ambonimbony kokoa ity raharaha ity.

 Inona no azo tsoahina amin’izany ? Azo heverina fa mihevitra ny tenany ho manan-danja afaka manao izay tiany hatao aloha ilay vahiny. Manana andraikitra ambonimbony any amin’izay misy azy angaha ka heveriny ho antsojay ataon’ny malagasy aminy mampihemotra mpandraharaha raha vao miseho hanembatsembana azy. Mety ho manana olona ambony fantany hanavotra azy ihany koa amin’ny raharaha « tsy dia misy dikany » sahala amin’izay notantaraiko teo. Tombatombana azo disoina ihany ireo noheveriko voalohany ireo fa mety ho zavatra hafa no tena antony. Io zavatra hafa io dia manakana ny fifandraisana eo amin’ny vahiny sy ny teratany. Ny olana dia tsy ny vahiny eto no miezaka hahay ny tenin’ny teratany fa ny mifamadika amin’izay no mpiseho. Ny antony dia efa nisy fotoana nanjanahan’ny vahiny antsika Malagasy. Ry zalahy manampahefana misolo tena ny malagasy anefa mety ho tsy havanana loatra amin’ilay teny vahiny ka tsy te-hanala-bara-tena amin’ny fibadabadana eny. Dia aleony manao izay tiany atao eny ireny vahiny ireny. Ireo mahay teny vahiny ihany no hahasahy hanakana an-dry zalahy fa vitsy ihany izany araka ny fahitako azy aloha. Mihevi-tena ho toy ny ambany manko raha tsy mahay ilay teny vahiny (afa-tsy oui m’sé).

 Dia lasa ny eritreritro manao hoe f’angaha dia tsy maintsy ny teniny no iresahana eto amin’ity tanàna ity ? angaha koa ianao any amin’ny biraony ka matahotra ny hiresaka na hibetroka azy mihitsy aza ? Raha menatra ny hiteny vahiny aminy (izany hoe haja ve izany ny miteny vahiny aminy sa tsy mahatonga azy ho kamo hianatra ny teny malagasy ?) maninona raha mibetroka azy amin’ny teny gasy fotsiny amin’izao. Izay ilay hoe omena teny gasy izy. Aleo izy indray no hihanahana fa raha mitaky permis aminy dia ny teny hoe permis ihany no atao teny vahiny fa ny ambiny rehetra atao amin’ny teny malagasy. Dia mety hiteny isika hoe ka teny ofisialy eto anie ny teny frantsay sy teny anglisy e ! dia valiako hoe marina izany fa tsy manakana ny malagasy hiteny malagasy izany. Avelao hisy mandika teny ho avy e ! f’angaha dia ny hamalifaly azy izao foana no hatao ? Ianao angaha raha any aminy ekeny izay teny malagasinao fa ny teniny ihany no iresahany aminao dia mba toy izany ihany koa e ! Toa isika indray no hisahirana aminy nefa izy ary mandika lalàna…

Adim-poko: nitonona anarana ry zalahy

2007-05-25 @ 09:50 in Andavanandro

Nanonona ny anarany sy nanonona ny laharan’ny finday mihitsy aza araka an’i Taratra ireo nilaza ho nanaparitaka ny taratasy kely nandranitra adim-poko teto Antananarivo. Ny anarana notononiny moa dia Rasolojaona Arthur ary ny namany dia Andrianjafy. Afaka ho hitanareo rahateo ao amin’ny Madagate mikasika ny fifanenjanana eo amin’ny mpitondra katolika sy ny mpitondra ny firenena moa ny sarin’ilay taratasy fihantsiana sy ny votoatiny efa tsy tiako nadika teto mihitsy.

 Tsy vitan’izany fa mbola niantso tamin’ny fandaharana karajia ihany koa izy, izany hoe henon’ny mpihaino rehetra ny teniny sy ny fomba fiteniny. Mahavariana ilay izy. Manahy mafy aho nefa sarotra ny mitsaratsara olona avy hatrany. Ny fomba fiteny sy ny angola dia manamarika fa tsy zatra ny fiteny eto Antananarivo izy. Ny nahavariana ahy manko dia ny fomba fanompana ny merina hatramin’izay no nanompana ireo hafa indray. Nahagaga ahy io. Lasa ny eritreritro nanao hoe fihaikana io sa fanaingana amin’ny fomba ankolaka hanairana ny maro an’isa avy amin’ireny faritra tena ifampiseraseran’ny samy Malagasy ireny.

 Ny teniny moa dia manamafy ny voasoratra amin’ny fandroahana hatrany sady notononiny avokoa ny teny 67ha, Ambohipo, Ankatso, Ambolokandrina ary mandroseza. Nahatezitra ny maro avy hatrany moa ny taratasy fa tsy nisy namaly loatra ny teniny tao amin'ny mpikarajia isan’andro. Efa resaka fandranaitana eo amin’ny fivavahana indray moa izao no misy mivoy mafy dia mafy.

 Etsy ankilan’izay dia mivory hatrany ny vondron’ny mpanao tsia fa tsy mety milaza hatrany izay votoatim-pivoriana. Ao anatin’ny tetik’ady indrindra angamba izy ireo amin’izao fotoana izao.

Misy mandranitra koa eto Iarivo

2007-05-23 @ 09:36 in Andavanandro

Fantatrareo avy hatrany angamba ny tiako lazaina na dia izay lohateny izay ihany aza no apetrako. Faritra iray be « tanindrana » eto Antananarivo sady anisan’ny be mponina no nahitako trakitra miparitaka eran’ny lalana sy ny elakelan-trano. Ny haben’ny taratasy dia tsy natao ho fametaka amin’ny rindrina hovakian’ny be sy ny maro fa natao ho fanitrika isan-trano ambanin’ny varavarana. Iny taratasy manana habe A4 (21X29.7cm) iny no zaraina fito.

 Tsy azo soratana ny votoatin’izany singa-taratasy nameno ny faritra izany satria tsy natao ho fandranitana velively ihany koa eto na dia malalaka amin’izay soratako aza aho. Ny fifanajana sy ny fifampitsimbinana tsy maintsy tandrovina hatrany. Ny azo ambara dia taratasy fandroahana ilay izy mazava loatra sady miharo fanambaniana rahateo. Ny zatra mipetraka eto anefa dia mahalala fa sarotra ihany ny hampiady olona eto Antananarivo renivohitra eto.

 Tamin’ny herinandro nisian’ny saritaky ny tavaratra sy ny tatsimo iny ihany no nahatarafana karazana somary vandravandra teo amin’ny andaniny sy ankilany. Nisy andiana tanora avy any Sofia manko nitabataba vao maraina sahala amin’ireny hoe nisy nanafika vao maraina ireny. Maromaro samy mamo na ny lahy na ny vavy. Ny andro vao maraina tamin’ny enina ora tamin’izany fotoana izany nefa faran’ny herinandro. Ny efa nipetraka ela indray (izay atsimo atsinanana no betsaka) no nihatakataka. Notairiny tamin’ny torimaso avokoa anefa ny manodidina rehetra tamin’izay fotoana izay.

 Raha dinihina dia tena misy antoko politika mivoy mafy azy ity mihitsy. Nahagaga, tsy tandrin’ny mpnao gazetin’ny Tvplus angamba tamin’ny fanambaran’ny eveka omaly ny fanamelohana natao momba ny fandranitana adim-poko. Tsy novakian’ny mpilaza vaovao anefa io fa ny bala nalefa ho an’ny mpitondra fanjakana ihany no novakiany. Ny Mbs sy ny radiom-panjakana moa dia nody tsy nahalala ny fisian’ny fanambarana mihitsy. Azo lazaina izany fa tena mitongilana daholo ny mpilaza vaovao hitako hatreto. Tamin’ny lohatenin’ny gazety rahateo moa dia samy nisintona izay tiany nosintonina fotsiny ry zareo. Iza re no mety namoaka manontolo ny fanambarana e ?

Soloky mihamahazo laka

2007-05-18 @ 17:08 in Andavanandro

Resaka andavanandro eto Iarivo ihany ity lazaiko etoana ity. Maro karazana ny soloky fandre sy fahitantsika fa misy endrika mbola tsy fandreko loatra no holazaiko eto izao. Ity dia tsy maintsy misy namana ny mpanao azy ary ny mpivarotra ihany no tena asiany voalohany.

 Eto amintsika moa dia atao hoe tsy ampy loatra ny vola madinika hany ka any am-pivarotana no manakalo vola ny sarambambem-bahoaka. Eo amin’izay no idiran-dry zalahy amin’ny solokiny. Mody manakalo vola tokoa ry zalahy. Amin’ny ankapobeny dia vola vaventy hatrany no entina. Ny tena fanaony aza moa dia ny Ar10.000 no tiany atakalo ho roa fotsiny izany hoe Ar5000 roa no tadiaviny. Matetika dia tsy manome olana amin’izany loatra ny mpivarotra rehefa hitany fa tena vola io vola atakalo io.

 Fa eo indrindra no ivoahan’ny haratsian-dohany. Olona roa hatrany no mifanakaiky eo, ny iray no mitondra ny vola atakalo moa ny iray tahaka ireny olona tsy fantany ireny na manao zavatra hafa « donendrinendrina » mitakisikisina amin’ilay namany eny. Raha vao manakalo (na mamerimbola be ihany koa !) ilay mpivarotra dia vetivety ny vaventy iray dia ifanakalozan’izy mirahalahy eo (efa nianarana mihitsy !). Tonga dia miteny ilay ranamana manakalo vola avy eo hoe mbola tsy ampy ity vola nomenao ity. Raha tsy efa mailo na efa tratra indray mandeha tsy mahita ny fanaovana azy.

 Fanaon’ny efa zatra ny miteny hatrany hoe Ar10.000 ity volanareo ity an ! sady mipetraka eo ambony latabatra ifanatrehana ihany ny vola. Dia miteny indray avy eo hoe ireto Ar5000 roa ary takalony. Tsy mahita holazaina ry zareo amin’izay fotoana izay. Izay ny traikefa mahazatra fa mety mbola hitohy ny raharaha amin’ny sasany.

 Mody miamboho kely ny mpivarotra indray izy. Eo anelanelan’izay fotoana izay indray efa niova vola sandoka mandehandeha be eto amin’ny tanàna ny iray amin’ny vola vao natakalo teo. Dia mody mitodika indray izy manao hoe aleo atao tokana ihany fa manahirana izy izany…amin’io fotoana io dia tsy mandray ny vola intsony ny mpivarotra fa mamaly hoe rehefa nanakalo ianareo dia tsy misy averina izany intsony fa ento any iny. Raha mandray manko ka miteny ny mpivarotra avy eo hoe tsy izy ity vola ity dia hamaly izy hoe iny ihany ny vola nomenao teo koa inona indray. Mety ho sarotra ho an’ny mpivarotra ny hamaly azy amin’izay fotoana izay ka ny tsy manaiky ny hamerenana ihany no fanafodiny.

 Zavatra mety ho tsotsotra ihany izay nambarako izay nefa noho ny fahitako ilay mpangataka isan’alahady eo ambavahadim-piangonana mamolava izay lasa naman-dry zalahy mpisoloky ireto no nanoratako azy etoana. Mety ho lamaody manko ny fanaovana ity soloky mbola tsy fandre loatra ity izay mety ho efa tany an-tsain’ny mpanao ilay fandaharana « Aleo hihomehezana fotsiny » ( inona ary izany?) amin’ny teny frantsay izay mamandrika any Quebec matetika afaka kelikely eo !

Mpianatra...inona?

2007-05-14 @ 17:04 in Andavanandro

Niara-nigadona tao amin’ny lapan’ny Antenimieram-pirenena ny mpianatra tavaratra. Tonga tamin’ny fiara fitaterana ry zareo. 487 no isan-dry zareo nifampiandry teo fa hihaona amin’ny « ray aman-dreny » araka ny nifanarahana. Ny teny hoe tavaratra dia efa milaza zavatra hafahafa ihany saingy mbola tsy nisy sahy nanameloka hatramin’izao. Efa fisainana fampisarahana manko no ao ambadika na dia fivondronam-be aza no fijery azy amboalohany. Impiry impiry manko ny resaka fifandirana any amin’ny sekoly ambony tany aloha tany no nisy resaka hoe tavaratra sy tatsimo fa notsinotsinoavina hatrany aloha izany. Fifampiarovana manoloana ny hafa no tena antony, ny hafa izay Malagasy ihany fa tsy vahiny tsy akory.

 Resaka samy varimbarina noho ny toaka no nihavian’ity raharaha ity voalohany. Dia nisy niady tamin’izany ka dimy lahy no namely iraika lahy. Naratra be ilay iraika lahy ary dia niantso namana hamonjy azy. Tsy namana fe namana fa ireo iray fikambanana aminy izay iray fihaviana aminy ihany koa. Ny zanaky ny atsimo atsinanana sy ny kintan’ny atsimo no nitaky tamin’ny zanak’avaratra ireo nidaroka ny iray fihaviana aminy. Milaza ho tsy mahalala ny tavaratra. Nanao takalon’aina (angaha fantatra intsony koa izay isa marina na folo na dimy e !) avy amin’ireo zanak’avaratra ny fivondronamben’ny tatsimo fa tsy maintsy fantatry ry zareo izay nidaroka ny namany. Tsy maintsy niditra an-tsehatra ny ray aman-dreny. Ny fitantarana no nilazana fa niaiky ireo avy amin’ny tavaratra fa nanam-pahadisoana ny zanany ka nanolotra omby dimy ho fampihavanana eo amin’ny roa tonta. Andro zoma maraina no nanaovana ny joro izay ambara amin’ny fomba mihaja hoe fomba malagasy.

 Manomboka tamin’io andro io no nifamahofaho tanteraka ny raharaha. Tsy fantatra intsony izay tsaho sy marina. Tsy maintsy nisy ny nandainga. Resaka roa samihafa no ambarako etoana : ny voalohany dia ny filazan’ireo mpianatra nankeny Tsimbazaza izay nalaina sary sy feo hitan’ny mpijery fa naheno hoe ry zareo fa mbola nanafika ihany ny andaniny ka namaky ny fitaovana tratran-dry zareo tao an-trano toy ny vilia, vilany, ny tele sy ny lecteur. Te-hiaro ny ain-dry zareo ry zareo dia naleony nody. Ny gazety kosa dia sady nanambara ny fahagagan’ny olona any Fianarantsoa, ny amin’ny nahatonga azy ireo nody tampotampoka no nandre hoe nisy nanely tsaho fa maty hoe ilay noratrain-dry zalahy dimy nidaroka iry. Dia nifamotoana teny Tsimbazaza iny ry zareo. Ry zareo mbola nanda hatramin’ny farany fa tsy nisy nidaroka izany ny bandy avy aminy (fa niezaka nanao teny avy any avaratra ireo nidaroka hoy ilay niantso an-telefonina izay). Na ahoana nefa na ahoana efa nalaza eo anatrehan’ny hafa ihany koa (ialana tsiny indrindra fa maharary ity) ny rehareha sy ny hetraketraky ny avy any avaratra sasantsasany (tsy manao safobemantsina mihitsy aho fa aleo aza teteniko hoe vitsy an’isa izy ireo).

 Ny mahavariana dia izao : Nanaiky ny mpitondra fanjakana fa hiantohana ny sara andehanan-dry zareo mody sy ny hiverenan-dry zareo mianatra indray rehefa milamina ny toe-draharaha. Dia efa tena mamono afo tokoa angaha no nataon’ny mpitondra fanjakana no dia nanaiky izay tolo-kevitra izay ry zareo. Ny hafa manko raha tratran’ny fandroahana na dia ankolaka aza samy miantoka ny tenany manao izay hialana eo amin’ny loza fa ry zareo kosa voatambitamby miaraka amin’ny fiara tsara tarehin’ny minisiteran’ny fampianarana. Mody toy ny vedety fa tsy mody toy ny nitsoaka. Ny ratsiratsy vava aza moa nanao hoe tsy mahazaka ry zareo ny atao hoe diso tamin’ny raharaha tamin’ny herinandro teo ka aleony mody sady manararaotra ity fitondrana efa manahy fatratra ny amin’ny resaka 13 may ity. Tsy izany tokoa manko fa nofoanana ilay fandaharana manokana momba ny 13 may 1972 saiky natao omaly alahady noho ny antony tsy fantatra (tsy fantatr’iza ?).

 Manaraka izany ihany koa, efa nitondra tsy fidiny ireo fiara fitaterana avy any Fianarantsoa matoa nahatonga ireo mpianatra ireo hatrany amin’ny lapan’ny antenimiera eny Tsimbazaza amin’ny andro atoandro. Amin’ny fotoana mahazatra dia tsy mahazo mitondra mpandeha eny ny fiara ary tsy avelan’ny polisy mihitsy, voararan’ny lalàna rahateo izany. Mety noho ry zareo nanao tohivakana angaha no mety ho nandeferan’ny mpitandro ny filaminana tamin’ity indray mitoraka ity. Na izany na tsy izany dia ity raharaha ity no maneho amin’izay mahiratra fa tsy tena mifankahazo ny samy Malagasy fa miara-monina fotsiny noho ny toerana iraisana dia i Madagasikara izany. Zavatra maro moa no tiana ambara saingy izay angaha no sahaza ny androany.   

Teritery ihany

2007-04-21 @ 10:03 in Andavanandro

Mahavariana ! zavatra niseho tokana monja dia nampitohana ny fifamoivoizana hatrany Tsimbazaza mandalo an’i Manakambahiny iny, mandalo an’Ambanidia ka mipaka hatrany Ampandrana ka mila hahatratra an’Antanimena. Tsy adino ny any Ambohitsoa sy ny manakaiky an’i Mandroseza amin’ny lalana ilany ary ny lalana mikatso mankany sy avy any Ambohipo ihany koa. Tsy mampino nefa dia nisy tokoa omaly Zoma 20 avrily 2007.

Nisy razana nentina am-piangonana teo amin’ny fiangonana kristiana iray ao Ambanidia alohan’ny andevenana azy any amin’ny fasan-drazany. Mba manana fametrahana fiarakodia ihany ny fiangonana fa tsy ampy izany noho ny hamaroan’ny fiara. Ankevitry ny ho olona manamanana matoa be fiara tahaka izao manaraka ity fianakaviana manamanjo ity. Rehefa manana toy izany indrindra anefa dia somary lavalava ny fotoana ao am-piangonana.

Izao anefa, rehefa tsy antonona ny fametrahana fiara ny tokotanim-piangonana (andeha atao hoe izay) dia mametraka ny fiara amin’ny ilan’ny arabe avokoa ireo manana fiara hafa rehetra. Tsy dia misy lalana ho an’ny mpandeha an-tongotra loatra anefa amin’io faritra io hametrahana fiara koa dia eny amin’ny arabe ihany noho izany ny fiara ambiny tsy tafiditra an-tokontany no mijanona. Vokany lasa lala-tokana ilay lalana azo nifanenana teo. Manomboka misaritaka amin’izay ny fifamoivoizana.

Ny tena loza dia nanomboka mitaovovonana indrindra ny fotoana tao am-piangonana ka tsy nitsahatra raha tsy efa tamin’ny telo mahery tany ho any. Izany hoe tao anatin’ny fotoana firavana sy fidiran’ny mpiasa sy ny mpianatra indrindra no nampikatso ny fifamoivoizana. Tsy maintsy mifandimby mandeha ny andaniny sy ny ankilany mba hampirindra kokoa ny fifamoivoizana efa tery. Tsy misy afa-po ny rehetra ain’izany saingy aleo mikisaka toy izay tsy mandeha mihitsy. Ny mandeha an-tongotra indray no tonga aloha hatrany.

Dia lasa ny saina mahita ka manao hoe dia tsy misy vahaolana mihitsy ve eto amin’ity faritra ity ? Isak’izay misy manjo na mariazy ao amin’io fiangonana io dia mikatso hatrany ny lalana. Heveriko fa mba tokony hifanaraka amin’ny ivotoeram-pampianarana ambony katolika (izay Lycée français teo aloha) manana toera-malalaka azo lazaina fa lehibe ihany eo akaiky eo ry zareo amin’ny fametrahana fiara fa tsy hionona fotsiny amin’ny ilan’ny arabe izay hita mivandravandra fa mahasorena ny mpiara-monina ny fihetsika tahaka izany. Sa dia tena sarotra ve ny mifanaraka ?

Fanatsarana ny tanàna

2007-04-17 @ 07:16 in Andavanandro

Karazany aty indray moa no mitohy ny fitantarako tany amin’ny andavanandron’Iarivo tany. Efa kendreko ho iray ihany moa raha azo atao ny blaogy atorako na dia be dia be aza ny zavatra tiana ampitaina. Efa nolazaiko tany moa fa be ny ezaka ataon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra amin’izao fotoana izao. Ankehitriny dia efa vita tsara ihany koa ny fanavaozana ny zaridaina nasolo ny Lapan’ny tanàna may eo Analakely.

Nohavaozina tokoa satria tsaratsara kokoa noho ny zaridaina voalohany ny endriny ao no sady fenofeno kokoa. Milahatra tsara ny voanio ambolena amin’ny andaniny sy ny ankilany. Fenofeno kokoa ny zaridaina no tena maitso aok’izany ny ahitra. Azo lazaina fa tena reharehan’ny tanàna tokoa ny mahita azy. Na izany aza dia nasiana fefy zavaboary ihany koa io zaridaina io. Raozy no natao fefy. Mbola tsy misy vonikazo moa ilay raozy ka tsy fantatro izay lokony fa ny tsilo miranirany aloha no efa hita. Miaiky aho fa tena karazana artista na mpanolokolo zaridaina mihitsy no nahavita io zaridaina io. Fa ilay fakantsary moa dia tsy ananako mihitsy sady tsy misy mampihena ny vesany koa na mahazo aza noho ny tsy fananana logiciel e ! 

Rehefa vita io zaridaina nasolo ny Lapan’ny tanàna io dia ny zaridaina eo Analakely indray izao no hasiam-panamboarana. Izany hoe ho an’izay mahalala ny tsangambaton-dRalaimongo dia manomboka eo ka hatreny amin’ny Carole fleuris na Librairie Saint-Paul no dingana hatsaraina eo afovoan-tanàna. Efa voafefy hazo mihitsy moa ireo zaridaina roa ireo. Mino sy manantena aho fa ho tsara sy hifanahaka amin’ny zaridaina hatao amin’ny ilany atsinanana amin’ny zaridaina mamakivaky an’Analakely iny. Na izany aza dia tsy ny afovoantanàna ihany tsy akory no karakaraina toy izany fa na dia ny sisiny ihany koa aza tsy adino velively. Amin’iny lalana anoloan’ny Cenam iny na ny andaniny na ny ankilany dia ho gaga hahita ny zava-maitso amin’iny faritra iny. Vita ny zaridaina na dia mbola endriky ny ahitra ihany aza no mandravaka azy (tahatahaka ny zaridaina voalohany teo amin’ny lapan’ny tanàna ihany). Ny hazo ihany ka moa milahatra tsara fa misy voanio ihany koa eny an ! sady tena zavaboary fa tsy nataon-tanàna toy ny taloha intsony. Ho an’izay mandeha mijerijery tanàna moa no tena mahatsikaritra izany fa izay variana amin’ny fahasahiranana moa ho jamba tsy hahita izany e ! Amboarina tahaka izany ihany koa moa ny sisin-dalana amin’iny Amboniloha miakatra ho any Ivandry iny. Mbola eo ampanombohana moa ny Kaominina ka aleo aloha ho hita tsara ny vokatra.

Calumet lasan’ny Magro 

Farany dia tsy mifandraika amin’izany fa tsikaritra kosa dia lasan’ny Magro izany ilay tany nanorenana ny toeram-pandihizana Le Calumet eo Antanimena. Efa vita ny trano mbola tsy reko ny amin’ny fitokanana ny trano. Raharaha be teto amin’ny tanàna moa ity Le Calumet ity ho an’izay nanara-baovao tany alohabe tany. Ny nanamelohana ny tompony dia tahaka izao: Ny vola malagasy ratsy efa tokony potehina no naodiny ka nanaovany zavatra hafa ka anisan’izany ny fananganana ny Le Calumet. Mino indray aho amin’izao fotoana izao fa tsy maintsy ho avy ny fanadihadian’ny mpanara-baovao te-hahalala ny fomba nahazoan’ny Tiko group ity toerana ity. Na izaho koa aza moa te-hahafantatra toraka izany koa.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox