Ikotofetsy sy Imahakà sa Mapar sy Tim?

2015-05-27 @ 23:08 in Politika

Efa tsy te-hiresaka adilahy politika intsony aho, fa tsy hanary ny resaka politikam-pandaminana sy fandalinana fotokevitra politika, saingy tsy avelan'ny toe-draharaha eto amin'ny firenena hipetrapetraka sy ho zary mpitazana fotsiny, na dia maharikoriko aza ilay izy.

Iray volana teo ho eo izay dia nisy ny zaikaben'ny fampihavanam-pirenena. Anisan'ny nivoaka tao, na tsy voatery arahina aza, ny fandravana ny andrim-panjakana rehetra ankoatra ny Filohan'ny Repoblika. Lasibatra manokana amin'izany fangatham-pandravana izany ny antenimieram-pirenena izay nampikoropaka ireo mpikambana tao anatiny sy nampanaovan-dry zareo valan-dresaka hitsipahana izany fikasana izany. Efa namaly ankolaka izany ihany ny tao amin'ny presidansa saingy tsy mbola maty lolo ireo depiote ireo. Manantomotra ny fisokafan'ny fotoam-pivoriana ara-potoanan'ny antenimiera indrindra io fotoana io ka alaim-panahy ihany ry depiote hivondrona.

Mifanindran-dalana amin'izany dia naka fanapahan-kevitra, hanaisotra ny hitsivolana nandidy ny fiambenana an-dRavalomanana amin'ny toerana manokana noho ny "fidirana an-tsokosoko" teto an-tanindrazana, ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Nahatezitra tanteraka ireo nanongam-panjakana tamin'ny 2009 izany fanapahan-kevitra izany, satria ny fototra ijoroany voalohany tsy azon-dry zareo anaovana adivarotra dia ny famafana tanteraka izany anarana Ravalomanana izany amin'ny sehatra politika. Bala faharoa hiantefa any amin'ny filoha Hery Rajaonarimampianina ihany koa io fanapahan-kevitra io satria ilay tolona nimatesaka tamin'ny fiandohan'ny taona 2009 mihitsy no montsana tanteraka. Nanomboka teo dia napoapoaka fa fitondrana hvm-tim izao fitondrana mijoro izao rehefa hiara-miasa amin-dRajaonarimampianina Atoa Ravalomanana.

Tamin'ity herinandro mamarana ny volana mey ity anefa dia tontosa tampoka ny fivorivorian'ny depiote hanongana ny filoham-pirenena. Ny gazety vahiny mitabataba ny "destitution" moa ry mpanao lalàna sy ny eto an-toerana miezaka ny miteny ny "déchéance". Fa na "destitution" io na "déchéance" toa voahongana ihany no dikan'izany amin'ny teny malagasy fa tsy haiko loatra indray raha amin'ny teny frantsay. Ny niantefan'ny eritreritra voalohany raha vao tontosa ilay izy dia hoe ny Mapar no nitarika io fombafombam-panonganana io noho ny nanonganana ny Birao Maharitra voalohany nibahanan-dry zareo ny sehatra, ny nialàn'ny filoha tanteraka amin'ny fiarahana tamin'ny Mapar, ny tsy nahazoan'i Andry Rajoelina na olona hafa ao amin'ny Mapar ny toeran'ny praiminisitra ary ny nanomezana fahalalahana miriaria ho an'ny filoha teo aloha Ravalomanana. Nodradradradraina amin'izay ny taimbava hoe tsy mahay afa-tsy ny manongana ve no ataon-dry Mapar sy ny tariny. Tonga amin'izay ny fanaterana ny fangatahana fanonganana teny amin'ny Lapan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalapanorenana vao kepoka ny Zanak'i Dada fa hay anisan'ny nikononkonona mangina tamin'ny fanonganana ny filoha ihany koa ny Tim. Fa inona no nitranga?

Azo heverina fa mora takarina ihany ny fahagagana mahazo ny Olon-tsotra Zanak'i Dada satria raha ny fotokevitra amin'izao dia tsy tia ilay fanonganam-panjakana amin'ny endriny rehetra mihitsy izy ireo. Maharesy lahatra kokoa ny Zanak'i Dada ny hoe mitady fitoniana sy fahamarinan-toerana ara-politika ny firenena fa efa mijaly loatra ny vahoaka. Mandeha ho azy ny fanondroana ireo depiote Tim hita sary nanatitra dosie teny Ambohidahy ho mpamadika, nefa tsy nitsahatra ny hagagana rehefa re fa toa ny depiote tim rehetra mihitsy no nanaiky ilay fanonganana. Tsy manana eritreritra mihitsy ny Zanak'i Dada fa mety hiara-dia izany tim sy mapar izany, aleon-dry zareo aza ilay fiaraha-miasa hvm sy tim no lefitra kokoa fa tsy ilay vondron'olona nanongana ny olona notohananao indray no iarahanao. Hatreto dia vondron'olona tsy hanaiky ny fahalalahan-dRavalomanana izany Mapar izany ary tsy mbola nisy fitenenana avy amin-dry zareo fa avelany ho afa-maina fotsiny amin'izao ny filoha efa nahongany. Amin'izao fotoana aza moa dia esoeso no azon'ny Zanak'i Dada avy amin'ireo mpandrangitra avy amin'ny mpanohana an'i Andry Rajoelina. Mbola maro noho izany no mihevitra fa diso lalana sy diso paika Ravalomanana raha sioka tokana avy aminy no nanaovan'ny depiote tim ny latsabatom-panonganana.

Dia miezaka ny tena hamantatra hoe inona no ahasahian'ny tim hiaraka hanongana amin'ny mapar. Tsy mbola ananana ny antony fa azo atao kosa ny manombatombana. Voalohany, andro vitsy dia vitsy taorian'ny Zaikabe tim no nanaovana ny latsabato ary nisy ny nanoratra fa naroso io zaikabe tim io, ho fanomanana ny fifidianana kaominaly ho avy. Faharoa, mbola nanatontosa ilay teniny tamin'ny fotoana nahatongavany ihany Ravalomanana hoe tsy mahandry ny 2018 izy "hananganana firenena vanona". Fahatelo, tsy hahasahy handrava velively ny Antenimieram-pirenena Rajaonarimampianina, rehefa fantany fa tsy mbola hahazo ny maro an'isa izy, fa ireto vondron'ny nanongana ireto no samy manantena handrombaka ny fandresena raha hisy indray ny fifidianana depiote. Ny mahavariana dia tsy misy fanazavana avy amin'ny depiote tim hatreto ilazany ny antony nanaovany ny latsabato fanekena fanonganana, ka lasa mampihevitra fa mpanara-driandrano fotsiny ry zareo fa tsy tompon-kevitra. Hafa indray ny fandehan-javatra raha hoe hanangana antenimieram-panorenana tendrena fa tsy hofidiana Rajaonarimampianina, saingy amiko manokana dia tsy hahavaha olana velively izany antenimiaram-paorenana hotendrena izany, tsy maintsy ho lalampanorenana sadasada hatrany no hivoaka avy eo noho ny marimaritra iraisana. Raha avy amin'ny fifidianana kosa indray dia azo vinaniana ihany ny fotokevitra tian'ilay voafidy nandritra ny fandresendahatra nataony.

Eto dia miankina tanteraka amin'ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana ny tohin'ny raharaha. Ny tena manokana dia mihevitra fa azo tsipahina tsy amin'ahiahy ity fangatahana fanesorana ny filoha ity satria sady tsy lasa adala no mbola afa-mandeha sy afa-miresaka mitombina tsara ny filoha. Tsy maintsy manova fihetsika sy manova ny ekipa ny filoha raha tafavoaka amin'izao sedra izao, ho hentitra ary tsy hanao kinanga amin'ny fitantanana ireo orinasa tantanin'ny fanjakana na ananan'ny fanjakana malagasy petrabola ampahany betsaka. Mety ny fanapahan-keviny tsy handrava ny antenimieram-pirenena mba tsy hanisy menaka ny afo narehitry ny sasany, ary hitony tokoa ny toe-draharaha rehefa tsy mamaly fihantsiana amin'ny fihantsiana. Hitonitony ratsy araka ny fiteny moa izany fa tsy hoe handry fehizay tsy akory. Hatreto aloha dia miditra anaty savorovoro indray ny fiainam-pirenena ary tsy afa-bela ao anatin'izay ilay toekarena efa marefo dia marefo.


Jentilisa 28 mey 2015, amin'ny 01:05 a.m. ora eto Antananarivo.


Fivoahana Ofisialin'ny Zarateny : Blaogy iombonana miresaka sosialy sy politika eto Madagasikara

2015-05-20 @ 19:51 in Ankapobeny

Navoaka tamin'ny fomba ofisialy androany 20 mey 2015 ny blaogy iraisana Malagasy iray izay nokendrena hamoaka votoaty amin'ny teny frantsay na amin'ny teny malagasy. Raha ny tambajotra sosialy no ironan'ny besinimaro ary toa efa mihalefy tsikelikely ny blaogy amin'ny ankapobeny, dia fanamby lehibe kosa no atrehin'ny Zarateny amin'ny famoahana izao bilaogy iraisana izao. Hahatonga ny olona ho liana amin'ny blaogy indray ve ny fandraisana anjaran-dry zareo?

Amin'ny ankapobeny dia mikendry famoahana lahatsoratra na/sy votoaty dimy isan-kerinandro ity sehatra iray ity. Mety hisy ny mpandray anjara mavitrika fa ny tena andrasana sy tsara homarihina dia ny fahafahan'ny hafa mandray anjara amin'ny famoahana ny fanadihadiany ka isafidianana ho ao anatin'ny dimy hivoaka isan-kerinandro. Tsy tora-po intsony no andrasana hivoaka raha ny fahazoan'ny mpanoratra azy fa tena fitsakotsakoana sy vokatry ny fandinihana no heverina hivoaka.

Tsy izay votoaty rehetra tiana havoaka anefa no ho hita ao amin'ity bilaogy iraisana ity fa misahana manokana ny politika sy ny sosialy eto Madagasikara. Afa-mandray anjara avokoa na vahiny na Malagasy monina eto an-tanindrazana na ampitan-dranomasina rehefa miompana amin'io lohahevitra io ny votoaty ary mivoaka amin'ny teny frantsay na malagasy ilay izy.

Ny famoahana amin'ny fomba ofisialy no androany fa efa namoaka ny votoaty dimy voalohany izy tamin'ity herinandro ity. Ary tamin'izao voalohany izao dia tamin'ny teny frantsay avokoa ny lahatsoratra. Fepetra takiana raha hamoaka lahatsoratra ao aminy ny tsy maintsy ahafantarana hoe iza no mpanoratra, sy ny filazana fohifohy ny momba azy. Mazava loatra fa te-hametraka fahamatorana ny mpikarakara sy mpikirakira ity blaogy iraisana ity ary tsy hilefitra manoloana ny kitoatoan-kevitra sy fihantsiana bontolo. Hatreto dia tokana ny ahafahana mifandray amin'ireo mpandini-dahatsoratra sy manolotra lahatsoratra na votoaty dia amin'ny alalan'ny mailaka [email protected]

Na izany na tsy izany dia misy ny tsikera manokana avy amin'ny mpanoratra. Ekena tokoa fa tsara ny vokatry ny fandinihana lalina fa tsy maintsy lazaina ihany koa fa kamo ny mpamaky rehefa tsy mahatakatra izay tian'ireo mpanoratra holazaina, ary atahorana tsy hiverina hamaky intsony izy ireo rehefa be loatra ny zavatra tsy takatry ny besinimaro. Hatreto dia aleo tsorina fa somary very ihany ny mpanoratra amin'ireo votoaty nivoaka. Misy tokoa ny mahaliana ka maha-te-hamaky hatramin'ny farany fa misy ihany koa ny ahiako ho lasa misavoan-danitra loatra ka tsy tody hatrany amin'ny farany ny mpamaky avy eo satria tsy ao anatin'ny kapoakany loatra ilay zavatra avoaka. Tsy maninona, azo lazaina hoe tora-po ny fanamarihako, saingy raiso ho tsikera manatsara zavatra dieny ety am-piandohana. Misy manko ny lahatsoratra mety ho vitan'ny rohy tany amin'ny loharano nakana azy, indrindra raha hita an-tserasera izany loharano izany, no toa lasa ao anatin'ny lahatsoratra tanteraka. Azo atao anefa ny manazava azy tsikelikely ka mamoaka ny rohy, dia any ireo liana no manohy ny famakiana sy mijery ny antsipirihan'izay mety hahaliana, fa ny mpanoratra kosa hanasongadina izay tena tiany avoitra sy hanazava azy ho takatry ny besinimaro.

Trafon-kena ome-mahery izao resaka izao, ka am-bava homana am-po mieritra.


Jentilisa 20 mey 2015 amin'ny 21:52

 

 

Fetin'ny Mpiasa fa tsy fetin'ny Asa

2015-05-01 @ 09:36 in Andavanandro

Migadona ny voalohany volana mey. Fetin'ny Asa no mahazatra ny fitenenan'ny olona raha vao miresaka io daty io. Raha ny marina anefa dia fetin'ny mpiasa no voambolana mety sy sahaza kokoa  fa tsy ilay asa loatra. Ara-tantara (Tandrefana) dia ny fankalazana ny asa vitan'ilay olona mpiasa no tena nasandratra tany amin'ny taonjato faha-18 tany. Izany hoe tsy mijery afa-tsy ny vita ny mpampiasa fa tsy mijery ilay olona nanao ny asa, tsy mahalala ny filan'ilay mpiasa sy ny zavatra mety mihatra aminy. Tsy tamin'ny andron'ny 1 mey ihany koa, no tena nametrahana izany daty izany tamin'ny maha-fetin'ny Asa azy.

Taty aoriana dia efa mazava kokoa ny filazan'ireo tranonkala vahiny ny anarany hoe Andro Iraisampirenena ho an'ny Mpiasa. Eo vao mitodika any amin'ilay olona ny andro fa tsy tamin'ny zavatra nataony sy novitainy intsony. Teo aloha dia ny tombontsoa sy ny vola miditra ihany no fantatry ny mpampiasa fa tsy raharahiany izay manjò ny mpiasa any. Olombelona ihany koa anefa ny mpiasa. Mahalala trotraka ihany koa izy ary mahay manohitra ny tsy rariny avesatra eo amboniny. Toy ny andevo ny fijery ny olona atao ambany na tsy raharahiana noho ny vola miditra na vola tokony omena ilay olona nanao ny asa nefa dia fihinina izany satria hoe "zaranao aza manana asa ianao".

Ny fiandohan'ny nametrahana ny 1 mey dia avy amin'ny fitakian'ny sendikà Amerikana hametra ny ora iasana ho 8 ora isan'andro fa tsy mihoatra. Io no andro ihetsehana, maro ny ra latsaka tamin'ireo andron'ny 1 mey nifandimby ka vao maika nampijoro mafy ilay andro ho sarotra esorina, indrindra fa any amin'ireo tany tandrefana. Andro napetraka hanaovan'ny mpiasa fitakiana izy io amin'izao fotoana izao, saingy anaran-tsy very izany sisa eto Madagasikara, satria tsy azo atao ny midina an-dalambe tsy mahazo alalana. Hahazo alalana amin'ny fitakiana sendikaly ve ny sendikà sa tsy sahy intsony? Sao dia anaran-tsy very ihany koa sisa ny sendikà amin'izao fotoana izao?

Eto Madagasikara, na dia efa natao andro tsy iasana tokony hanaovan'ny mpiasa ny fitakiana any anatiny any aza ny andro voalohany volana mey dia maro ireo orinasa, lazaina fa manaja ny lalàna velona eto Madagasikara, no tsy miraharaha fa mampiasa ny mpikarama ao aminy ho toy ny andro andavanandro ihany. Ary ny tena loza dia misy ireo miasa tsy mahazo tambin-karama, satria hoe efa mipetraka ao anatin'ny fifanarahan'asa eo amin'ny mpiasa sy ny mpampiasa fa tsy mahazo tambin-karama intsony izy. Te-hanangona sy te-hahafantatra ny endrika tsy rariny mahazo ny mpiasa aho fa izay fantatro ihany no lazaiko.

Maro amin'ireo mpikarama no miasa ora maharitra sy mihoatra ny 40 ora isan-kerinandro ka tsy mandray ny tambiny, mifanaraka amin'ny lalàna napetraka, avy amin'ny andro tsy tokony iasany nefa voatery miasa izy. Efa mipetraka anaty lalàna arakaraka ny karaman'ilay mpiasa ny vidin'ny ora iray mihoatra amin'ny ora tokony iasany. Misy anefa dia ora maro dia maro no iasan'ilay mpikarama, kanefa dia ampahatelony na ampahaefany na ampahadimin'ny tambin-karama tokony horaisiny ihany no omena  azy. Misy indray dia efa fantatra ny ora mihoatra iasany isam-bolana dia efa apetraka hoe vola -raikitra sy tsy miova- izao isam-bolana ihany no azony na ora firy na ora firy no mihoatra amin'ny andro iasany. Tsy haiko aloha na mifanaraka amin'ny lalàna sosialy izany toe-javatra izany na tsia fa dia misy soa aman-tsara ireo lazaiko ireo.

Fandripandrika omena ny mpiasa ihany koa ny hoe ianao dia mpiasa ivelan'ny sokajy (hors categorie) ka tsy tafiditra ao anatin'ny lalànan'ny asa intsony ny fifanarahanao mpiasa amin'ny mpampiasa. Asainy miasa amin'ny ora tiany ianao fa tsy mahazo ilay tambin-karama intsony satria efa mipetraka mazava ao anaty fifanarahana izany, ary mihevitra ny orinasa mpampiasa amin'izay fotoana izay fa tsy azon'ny lalàna enjehina izy. Rehefa tratran'ny fandroahana na hiala anefa ilay mpiasa dia tsy maintsy faritana ihany hoe sokajin'asa laharana faha-izao na izatsy no mihatra amin'izay fotoana izay. Ny tena manahirana amin'ity fifanarahana ivelan'ny sokajy ity, raha ny fiheveran'olona tsotra amin'izao dia tokony ho ambony dia ambony ny karamany ho sandany saingy tsy izany velively no izy fa mandray latsaka noho ny "ambany sokajy noho izy" aza ireo tratran'ity fifanarahana sadasada ity. Saingy tsy afa-miteny sy tsy afa-mitroatra ny mpiasa tratran'izany satria "zaranao aza ianao manana asa fa jereo ireo tsy an'asa mitsiriritra ny asanao".

Teny an-dalana teny aho dia nahatsikaritra fa maro ireo olona no misinda kely ivelan'ny tanàna satria mba tsy miasa e! izay ilay anaran-tsy very. Efa mihoatra ny zato taona izao no nitakiana ny ora valo isan'andro ary efa maro ny firenena manatanteraka izany, ary anisany i Madagasikara, saingy misy ireo mpampiasa no manao valiboraingina hoe mpiasam-panjakana angaha ianao no hitaky valo ora isan'andro na efapolo ora isan-kerinandro? Mandehana any amin'ny fanjakana raha hitady an'izany fa tsy aty no misy an'izany. Ato amin'ny orinasako dia IZAHO no lalàna. Mila mieritreritra ny sendikà ary mila mijery indray ireo mafiloha afa-mitarika ny fitakian'ny mpiasa an-dalambe amin'ny andro tahaka izao fa na misy aza ny fifanarahana dia tsy maintsy misy ihany koa ny fitakiana mety tsy ho fantatrao avy amin'ny mpiasa tratran'ny tsindrihazolena efa tsy jeren'ny fitondram-panjakana intsony.



Jentilisa 1 mey 2015


Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2015 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
31            
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox