Somary sahirana nanao ny lohateny satria tsy mitantara ny noely fa mitantara an-tsary ny nitranga nandritra ny noely na krismasy. Mety ho sarotra azo ny resaka fa dia aleo ny sary no hilaza azy!
Na ny tamboho ankavia na ny tamboho ampita ankavanana samy tambohon'ny tsenan'Andravoahangy avokoa
tazana ery alavitra ery ilay tilikambon'i orange an-dalam-panamboarana sy kendrena ho trano avo indrindra eto Antananarivo sy Madagasikara
Mbola tsy nahita na mbola tsy nilazana ny fisiana karazana zaridaina eo amin'ny rano manasaraka ny tsena atsinanana sy ny tsena andrefana eo Andravoahangy angamba ianareo. Vitsy ihany koa ny hahatsikaritra azy afa-tsy efa nasiana serasera manokana momba azy ity. Tsara ilay ezaka fa hita hoe mbola mila fampivoarana sy fikarakarana matotra na dia somary faritra be korontandrotana aza ny manodidina azy. Azo lazaina ho tsara aro ihany manko satria karazany voafefy ihany ity amoron-dranon'Andravoahangy ity.
Toa feno mpivarotra ihany nefa krismasy ny andro. Midìka fa tsy ny rehetra no mankalaza ny krismasy
Dia raha izao no misy sarety na posy dia miakatra ho azy ilay fahatezerana ao anaty
Fa efa masaka ao an-tsaiko hatrany ny hoe tsy tsara asiana tsena an-kalamanjana intsony i Antananarivo raha tiana ny mbola haha-renivohitr'i Madagasikara azy, na anaty fefy io na ivelan'ny fefy, fa tsena sy fivarotana anaty trano sisa azo ekena... ka ny fepetran'izany tsena na fivarotana anaty trano izany dia ny fananany efitra fidiovana manara-penitra ao aminy.
Tsy avy ny orana taty amin'ny faritra andrefan'Antananarivo ka nanome lanitra mahatsara vahiny
Tsy ny vahiny ihany angamba no tsara jerena fa ny tontolo manodidina mihitsy
Efa amin'ny enina ora sy sasany hariva, vitsy sahady sisa ny olona eny an-dalana raha oharina amin'ny andavanandro, vitsy koa ny fiara mpitatitra ka namilafila... indrindra ireo tokony handalo an'Anjanahary na Andravoahangy tsena
Nohararaotina ny naka sary ilay fotoana mba ho toy ny niavaka kely
Fa na eo aza ny ezaky ny olombelona hanatsara ny manodidina azy. Hafa ihany ry zareo ilay vita-nanahary na dia mahazatra loatra eo amin'ny fiainana aza ny mahita azy. Efa tsy mba fahitanay noho ny asa intsony izany filentehan'ny masoandro izany hany ka finaritra sy toy ireny sambany vao mahita zavatra mahafinaritra izany. Soa fa tsy dia ratsy loatra ilay faka-tsarin'ny finday dia mba azo ihafiana ny navoakany.
Mirary fety sambatra ho antsika rehetra amin'ity faran'ny taona ity!
Jentilisa 26 desambra 2012
Tsy nihevitra ny hanoratra vetivety aho satria vao omaly maraina no nanao izany. Andeha atao hoe nanana ny lanjany ny andro nitokanana ny Coliseum teny Analamahitsy. Misy ny te-hitahiry ny sarin'izany fitokanana izany amin'ny alalan'ny fividianana ny gazety mamoaka sary maromaro avy tany. Tsy omeko tsiny loatra satria safidiny izany. Atao hoe malaza satria toeran-danonana fihirana lehibe indrindra manerana ny Ranomasimbe Indiana (tapany andrefana ihany no fantatsika!). Maro ny tanora no nankafy ny fety aman-danonana teny.
Toy ny fety rehetra ihany, nisy ny naharitra hatramin'ny farany ary tsy nahagaga loatra raha be ireo tanora niaraka vitsivitsy na maromaro mandeha an-tongotra mody avy eny Analamahitsy, mandalo Alarobia sy Ankorondrano na mandalo Andranobevava, Ambatomainty sy Anjanahary na Masikara amin'ny sivy ora alina. Azo itarafana ny fitiavana fety, na fitiavana ilay mikarakara ny fety, izany ary mba tsy vitsy kosa ireo mody mandeha an-tongotra manavatsava an'Antananarivo faran'ny taona tahaka izao. Ho an'ny mpahalala manko, ny faran'ny taona no tena maharomotra ny mpanendaka sy ny mpangalatra satria amin'iny fotoana iny no manamanana vola ny olona [mpiasa] noho ny tambin-karama azony ary fantatry ry zalahy izany amin'ny ankapobeny ka mba maka ny anjara tambin-karamany ho fanomanana ny fetiny ihany koa.
Be moa no nanombatombana fa tamin'ny fitokanana ny Coliseum iny no ilazan'i Andry Nirina Rajoelina, filohan'ny FAT, izay irotsahany na tsia amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena kasaina hotontosaina amin'ny herintaona io. Saingy diso fanantenana ry zareo satria tsy voavaly tany ny fanontaniana. Anjara safidin'ny mpikabary ihany moa io, ijereny raha izany no fotoana mety na tsia. Ny fihirana ny hiran'ny tarika Tsiakoraka mitondra ny lohateny hoe Namana moa no tena nataony sy ny fitantarany ireo fotoana nandalovany tao amin'ilay toerana sy ny tsapany ary ny karazana fampieritreretana ankolaka izay tena tia tanindrazana sy nanao zavatra ho an'ny firenena. Azy izay ary teniny, fa dia maromaro moa ireo artista no somary nandoka sy nanao karazana fisaorana tamin'ny alalan'ny hiran'izy ireo namboarina ihany. Henry Ratsimbazafy tamin'ny hira hoe "Misaotra anao aho ry... Andry TGV..." Tsiliva miaraka amin'ny "I love You (Mademozely) Andry Rajoelina" [ny mpijery mihira hoe Andry Rajoelina moa ilay mpihira tahaka ny manadinodino ka mademozely ihany no voatonona] ary ny "misaotra e! misaotra nama misaotra".
Fa mandritra izany fotoana izany na somary aoriandriana kokoa, tsy haiko loatra ny fotoana no namoaka fanambarana tany an-drenivohitra tanzaniana tany Dar-es-Salaam [vavahadin'ny Fiadanana] ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana milaza fa tsy hirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana rehetra hotontosaina amin'ny 2013 ny tenany. Mety ho nanaitra ihany ilay vaovao nefa raha nahita ilay vaovao aho ny maraina dia toa tsy nampaninona ahy ihany, tsy fantatro loatra fa izay no tsapako. Tsy nahatsiaro ho diso fanantenana aho, na dia mahafantatra tsara ny safidy politikako aza ny mpamaky. Izaho manokana tsy mahita loatra izay tsininy satria efa tsy mihetsika loatra intsony ny olona eto an-tanindrazana, karazany efa tsy misy tolona intsony fa efa tonga amin'ny antsoina hoe miara-mitantana rahateo.
Fivoriana toy ny fivoriana rehetra no iheverana ireo tontosaina eny amin'ny Bel'Air Ampandrana sy eny amin'ny Magro Behoririka. Efa maro misara-kevitra rahateo ny mpitolona satria misy ireo tsy manaiky ny fidirana tao anaty rafitra, ho karazana fanaraha-maso avy ao anatiny ny fitantaranam-panjakana, ary misy ireo mitsipaka izany tanteraka satria heveriny ho firaisana tsikombakomba amin'ny mpanongam-panjakana izany. Samy manana ny faharesen-dahatra ao anatiny fa fivakisana no nivoaka avy tamin'izany ary karazany misy aza ireo mpitolona tsy mahazo miditra ny faritry ny magro mihitsy noho izany fivakisana izany noho ny fiampangana famadihana mazava loatra. Ny maro tamin'ireo mpanatrika anefa no tsy mazoto loatra intsony satria tsy mahalala izay tokony arahina na tsy mankasitraka ilay fivakisana ihany koa. Nilatsaka ary ny fanapaha-kevitra, ahoana ny fihetseha-pon'ny mpanohana azy amin'ny ankapobeny?
Raha ny aty amin'ny serasera, tsy mampaninona loatra ny fanapahan-kevitra ary noderaina aza ny fanapahan-kevitra satria nitana ny teniny tamin'ny fitokisana ny SADC sy efa nilaza ny hanaja ny vokatry ny fihaonana izy. Ahitana ny tena mpanaraka azy ihany koa ny fanapahan-kevitra na be aza ireo mitsikera amin'ny tsy mahamety izany manaraka na mijery olona izany. Ho sahiran-kevitra kosa ny mpanao kajikajy politika amin'ny zavamisy ary ilaiko aza ny isian'ny tahaka izany ahalalany fa sarotra ny mihatsaravelatsihy mandritra ny fotoana maharitra amin'ny filalaovana ity politika ity. Raha tarafina amin'ny avoakan'ny vaovao ihany koa anefa dia mankasitraka ilay fanambarana ihany koa ny maro amin'ny mpanaraka ka nivory fa ny tena tanjona dia ny hodiany eto an-tanindrazana. Samy manao ny kajikajiny amin'izany ny tsirairay ka ao ireo mangataka ny tsy irotsahan'ny iray ihany koa ary hatreto amin'ny fotoana anoratana dia tsy rere tsara ireo mpitaky ny tsy irotsahan'ny roa tonta goavana.
Ny mpanohana na ny avy ao amin'ny antokon'ny andaniny kosa moa dia vao maika milaza fa efa tsy tokony hirotsaka noho ny sazy mahazo azy ihany ny filoha teo aloha, nefa izany tsy manakana ny tsy irotsahan'ny mipetraka eo amin'ny fiketrahana amin'izao fotoana izao. Ny mahavariana aza moa dia tonga araka ilay fitenenana hoe vonton'ny fankahalana tokoa va re fa mbola manome tsiny ny fanapahan-kevitra hatrany. Misy ireo miteny hoe fa maninona no izao vao miteny, misy ny karazany tsy manaiky tsotra izao ilay tsy irotsahany satria any anatiny any mieritreritra izy fa tandindonin-doza ny safidiny raha mbola arahi-maso ny fitohizan'izao tantara izao.
Ahoana kosa hoy ny hevitro manokana? Fony nanara-baovao momba ny fitokanana ny Coliseum aho dia nieritreritra hoe raha izao izy no milaza hoe tsy hirotsaka dia izay vao tena lehilahy ary nahazo isa betsabetsaka teo anatrehan'ny olona amin'ny ankapobeny na hisy aza ireo tsy hiraharaha izay ataony mihitsy ka tsy hivadika amin'izao hosafidiany. Tsorina fa nandritra izany fotoana izany mbola tsy nieritreritra loatra izay mety ho momba an-dRavalomanana aho raha manao izany izy... Ny natrehina rahateo no nahatonga ilay eritreritra. Mety ho diso fanantenana ny mpanaraka mafana fo nefa hitony ihany avy eo. Ny fanatontosana ireo fitokanana isan-karazany anefa dia mampihevitra hatrany hoe hirotsaka i ANR fa sarotra izany hijanona fotsiny amin'izao izany. Ny eritreritro aza moa efa tonga amin'ny hoe fa inona moa no hanery azy hanao izay fifidianana raha toa ka mihevitra tokoa izy fa nahavita be ho an'ny firenena? Iza no atahorana hanaisotra azy eo amin'ny toerany raha efa notambatambazana tsara ny manam-basy isany. Tsy mbola nilaza izay fanapaha-keviny farany anefa izy, satria mbola misy ny foto-drafitr'asa hotokanana amin'ny herinandro.
Kanjo, raha mbola eo am-pikonokononana sy teo am-pandambolamboana ny fifandraisana amin'ny vahoaka ho fanomanan-tsaina izy no nipoitra tampoka ny fanapaha-kevitra avy amin'ny ankilany. Sarotra ny nieritreritra ilay izy satria vao oviana moa no nanambaràny fa tsy mifanaraka amin'ny demokrasia ny fanililikihana ny hafa tsy hirotsaka izany. Amin'ny andron'ny aniveriserany ihany koa ve no ilazana fanapaha-kevitra tahaka izany? Nefa indro ny lehilahy fa niteny ny tsy hirotsaka amin'ny 2013... fa ny tao an-tsaiko voalohany tamin'ny fanononana ilay taona dia hoe: Fa ahemory anie io fifidianana io ka mivadika ny taona fa dia efa tsy anatin'ny taona 2013 nambara intsony izany. Ny tanjona dia ny hodiana... tsy maninona velively na hirotsaka na tsia i ANR. Mirotsaka i ANR vao maika mahatsara zavatra satria fotoana tsara ahafahana mijery ny fitiavan'ny olona azy io. Ny hafa mifaninana no ho sahiran-kevitra fa tsy tokony ho ny mpanohana an-Dravalomanana na ny mpanohana an'i ANR velively.
Efa nolazaiko tany ambadimbadika tany ihany ny eritreritro raha vao nahita ity filazana tsy hirotsaka ity ny tena : Efa re ny fanambarana, izaho manokana dia miantso ny mpanohana Ravalomanana rehetra, na iza izy na iza hanaiky ny fanapahan-kevitra tsy hilatsahan’ny filoha Ravalomanana. Miantso kosa aho etoana ny tsy ametrahana mpandimby na solontenany amin’ny fifidianana eny fa na dia avy amin'ny fianakaviany aza satria tsy fantatra izay tena tanjon’iny olona iny sy nanarahany na mody nanarahany ny filoha Ravalomanana. Aoka tsy hisy kandidà milaza hisolo tena azy. Etsy ankilany kosa dia manentana ny mpanohana rehetra Hanao vato fotsy amin’ny fifidianana ho avy io hijerentsika ny lanjan’ny vato fotsy sy hahazoantsika mamariparitra ny habetsaky ny olona mety hifidy azy raha nirotsaka izy. Tsy vahaolana ny tsy mifidy fa fahaiza-mifidy ahatarafana ny herintsika kosa ny fanaovana vato fotsy.
Mety hihevitra isika fa tsy misy dikany na vato fotsy iray tapitrisa [na iray arivoarivo] no eo satria efa nampiarahana amin'ny vato maty ihany iny saingy tsy any no ametrahana ny tanjona hoe dia tena lasan'ny anona tokoa ny fitondrana satria ny azy ny vato manankery. Ho kivy ambony ihany isika raha izay avy hatrany no eritreretina fa ilay maoralin'ny mpanohana mihitsy no tairina. Inona ny ho fientanam-ponao raha mahita fa mahazo ny atsasa-manilan'ny safidy na hoe mihoatra noho ny isam-baton'ny mahazo vato manankery be indrindra fotsiny aza io vato io? moa tsy ho tsapanao avy hatrany ve fa anjaran'izay kandidà ambany isa noho ny vato fotsy indray ny ho kivy sy mieritreritra lalina? Sa hody fanina tahaka ny ahoana? Moa na ny Firaisa-monina iraisam-pirenena ve tsy ho lasan'eritreritra ihany koa raha mahita fa be loatra izany vato fotsy izany ka tsy mitaratra velively ny safidim-bahoaka izany isam-bato manankery izany? Tena tsy mijery ny vato fotsy sy ny vato maty [ity farany ity no tena tsy fahaizana mifidy fa mieritreritra fifidianana delege na saindikaly angamba] ny lalàna ary ekeko tanteraka ny fisian'izany karazana fepetra izany. Tsarovy fa tsy fifidianana mifanaraka amin'ny Lalampanorenana no hotontosaina fa fifidianana vokatry ny fifanarahana vonjimaika anaty tetezamita ihany. Anjaran'ny filoha Ravalomanana no milaza mazava izay tokony atao amin'ny fifidianana... ka soso-kevitra ihany ny ahy, raha mahita ny tsaratsara kokoa moa izy dia arahaba soa arahaba tsara izany.
Izay indray aloha fa efa lava dia lava mandreraka be izany lahatsoratra izany! miala tsiny e! Ataovy toy ny trafon-kena ome-mahery, am-bava homana am-po mieritra!
Jentilisa 13 desambra 2012
Dia iarahan'ny besinimaro mahita ankehitriny ny fitokanana ny "Coliseum de Madagascar" izay mbola andrasana ny ho anarany amin'ny teny malagasy. Manahy anefa aho fa tsy ho tonga izany anarany amin'ny teny Malagasy izany. Koa na dia zava-bita eto Madagasikara aza ny toerana ho fialamboly sy ho fanalan'andron'ny besinimaro dia ho toy ny zava-bahiny letrezana eto an-tanindrazana ihany rehefa tsy hisy fametrahana eny amin'ny rindrina ny anarany amin'ny teny malagasy tahaka izay ahitana azy amin'ny teny vahiny. Raha mijery habaka aterineto vitsivitsy anefa isika dia mety ho gaga fa ny Coliseum na ny Colisée tany Roma [fr] dia tsy izany no anarany tamin'ny voalohany fa Amphitheatrum Flavium [en]. Nahazo ny anarana Colosseum na Coliseum na Colosseo izy noho ny tsangambato goavan'i Nerona Kaisara teo akaiky araka ny nambaran'ny mpahay azy any ambadika any ihany. Ny tsikaritra voalohany dia fiarahan'ny teny Latina sy ny teny Frantsay ny anaran'ilay toerana etsy Antsonjobe.
Dia lasa ny tena nanao fikarohana an-tserasera mifandraika amin'ity anarana Coliseum ity. Voafaritra mazava ny fotoana nananganana azy: Nanomboka ny taona 72 AD, nisy ireo nilaza fa vola azo avy amin'ny nanafihana an'i Jodia sy ny fandrobàna ny tempolin'i Jerosalema [fr] no nananganana ity Coliseum any Roma [fr] ity (fa tsy eto Madagasikara). Natao hampialàna voly ny vahoaka, izay nitaky hatrany ny hananganana toerana fialam-boly ("manara-penitra?") sy hanodinana azy rahateo tsy hiraharaha ny resaka politika, izany hoe tsy hitodika any amin'ny fanonganam-panjakana na fiokoana fanaon'ny olona ambony. Tonga tokoa any amin'ilay hoe rehefa misy ny hohanina sy hotafiana ary hirevena dia inona idray koa no hotadiavina? Fa lasalasa ny saina rehefa mahita fa toa misy itovitovizana tamin'ny tantara sy ny zavanisy tany Roma Fahagola ny zavamisy eto Madagasikara amin'izao fotoana izao.
Efa renareo ve fa may ny tanànan'i Roma ny alin'ny 18 jolay 64? Nalaza tokoa izany fahamaizana izany satria faritra maro no tratra, mateti-pitranga ny fahamaizana, araka ny voalaza saingy niavaka izy ity noho ny fifampiteny nifanaovana. Mampahatsiahy ny nitranga teto Madagasikara ny andron'ny 26 janoary 2009 sy ny 27 janoary 2009 ihany koa moa izany. Voampanga ho nandoro ny tanànan'i Roma manko ny kristiana tamin'izany fotoana izany saingy nisy ihany ireo mpahay tantara nanondro fa i Nerona Kaisara no tena atidoha nampandoro ny tanàna mba hanomezana endrika vaovao ny renivohitry ny fanjakana. Fifanandrifian-javatra ve fa nipetraka ho tantara ihany koa fa ankoatra ny fampiadiana ny Gladiatera sy ireo karazana tantara an-tsehatra (anaty rano amin'ny alalan'ny adin-tsambo) dia toerana nampijaliana ny kristiana tao Roma ihany koa ny Coliseum. Izay lafiny izay moa no mba fantatry ny olona tsy mpanaraka ny tantara eoropeana sy fahagola fa mba nitantarana tamin'ny alalan'ny haino amanjery ny tantaran'ny maritiora kristiana tao Roma.
Fantatrao ve fa nisy izany Forum Romanum izany? habaka manana ny anjara toerana manokana eo amin'ny tantara sy fivavahana ary politika satria mifangaro ao avokoa na toera-pivavahana, na toerana fiadian-kevitra (ara-politika) na tsena. Voalaza moa fa io habaka iray io no ivotoerana teorikan'ny fananganana an'i Roma. Somary nanao fampitahana vilana indray ny tena fa nasiana ny kianjan'ny demokrasia ho sehatra fiadian-kevitra sy fanehoan-kevitra tamin'ny voalohany saingy efa mikatona tanteraka kosa ankehitriny ny habaka ho amin'izany eto amintsika. Toerana fampilalaovana ny ankizy sisa ny eny Ambohijatovo amin'izao fotoana izao. Toerana heverina ho tsy iresahana politika intsony. Nentina hananganana ny fanjakan'ny mpitondra ankehitriny fotsiny ilay kianja fa rehefa vita ny nilaza azy dia anarana sisa no mipetraka.
Dia mbola avy indray ny heverina ho mifanentana amin'ny Circus Maximus [en] eto Antananarivo. Ambohipihaonana ara-panatanjahantena, mifandraindraika amin'izany ihany koa ilay anarana ho an'ny Malagasy. Hotokanana amin'ny faran'ny herinandro ihany koa manko ny Kianjan'ny Makis. Toa kisendrasendra nefa tena mahavariana ilay fifanaikaikezana anarana Maximus sy Makis. Satria ny hazakaza-tsoavaly no nalaza tamin'ny andro fahagola nampalaza ny Romana fa ny Rugby kosa no malaza mahavory olona kokoa eto Antananarivo amin'ny ankapobeny rehefa leon'ny mijery baolina fandaka ny mpanaraka izany teo aloha, tsy mahagaga raha mitodika any amin'ny mpankafy ny baolina lavalava ny mpitondra. Dia mbola kisendrasendra indray ve fa raha somary boribory lavalava ny Circus Maximus [fr] dia ny baolina kosa no somary boribory ho an'ny Temple de Rugby araka ny nilazan'ny filohan'ny FAT azy ihany. Kisendrasendra ve fa raha natao hanomezam-boninahitra ny vahoaka sy andriamanitra (latina) ny Circus Maximus dia Anarana hafa iantsoana ny Kianjan'ny Makis ny Tempolin'ny Rugby, nefa rehefa miresaka isika hoe tempoly dia toera-pivavahana no ahafantaran'ny besinimaro azy?
Fa ny tsy tokony ho adinoina dia ny fonenan'ny mpitondra ankehitriny. Iza no efa nahita? izaho tsy mbola nahita fa ny tamin'ny sary kosa dia talanjona aho fa maritrano Romana no hitako ary tsy an-jaza izany endrika izany fa mifanahatahaka amin'ny tranona Amperora na Prefe mihitsy. Jerena amin'ilay andrin-trano fa tena nosafidiana manokana izany maritrano izany tompoko ary mety ho efa nofinofisina hatry ny fahakely! Tsy dia afa-mitompo teny loatra aho satria ny sary ihany no hita fa tsy mbola nahita mivantana. Ka aleo tsy asiana resaka lava fa mba mampieritreritra fotsiny.
Ary ny hopitaly manara-penitra? raha arahina ireo voalaza ireo dia somary naningana ny hopitaly manara-penitra ity. Inona no tena nanosika azy hanao io zavatra tsy mbola fantatra loatra tamin'ny andron'ny Romana ity? Mety ho tsy "ambition" manokana io zavatra iray io fa tolo-kevitra raha jerena ihany koa ny olona akaiky sy mpanolo-tsaina azy izay malaza manana hopitaly goavana eto Antananarivo rahateo. Na izany aza mety ho nisy tantara manokana ihany koa, izay tsy fantatsika raha atao hoe hevitra avy aminy ihany ilay hopitaly.
Farany, am-panombohana ankehitriny ny tetikasa "Lalankely" izay tsarovy fa mampiavaka ny Romana ihany koa ary manatonga ilay fomba fitenenana hoe "Ny lalana rehetra mizotra ho any Roma". Izay tanàna rehetra eo ambany fifehezan'i Roma dia saiky natao rarrivato avokoa ny lalana rehetra. Ny olana: efa nalaza tamin'ny fanaovana lalana sy hanohizana ny lalana ny mpitondra izay naongany ka sarotra ny hamafa ny tsiaro amin'ny alalan'ny "Lalankely" nefa aleo tanterahina ihany. Ny "Lalankely" eto Antananarivo sy ny manodidina no tena mianoka tombontsoa fa ilay lalana noresahin'ny teo aloha kosa hatrany amin'ny farita saro-dalana no nahatongavany ka nodradradradraina fa ny hampitombo ny ambaindain'ny tiko no tena nanaovana azy ireny. Izao anefa tsy maintsy hotanterahina ihany izy ity. Fa raha malalaka ny LALANA mankany amin'ny fahaverezana dia sambatra kosa ny mahita ny LALANKELY mankany amin'ny Paradisa! Amen!
Jentilisa 11 desambra 2012