Vive les vacances!

2007-07-31 @ 16:16 in Ankapobeny

Dia izay tokoa aloha no soratako etoana! mba miala sasatra sy aka rivotra eo amin'ny iray volana mahery eo aho izany...koa raha manoratra aho dia eo amin'ny fandefasana hevitra eo ambany eo ihany. Mametraka ny mandra-pihaona sy mirary soa anareo rehetra. Tsy ahatafavoaka blaogy any amin'ny cyber mihitsy manko aho hatramin'izao fa tonga dia manjavona fotsiny ny takelaka amin'ny fotoana tokony hahafeno azy. Izay no anoratako eo amin'ny hevitra raha misy izay tiana hosoratana!!!

Bye dia Mbola ho avy ô!

Ny vaovao anaty palitao

2007-07-28 @ 08:59 in Ankapobeny

Matoa aho manao izao lohateny izao dia mampilaza dieny mialoha fa tsy voamarina ilay vaovao. Ny tompon’andraikitra mivantana ihany no afaka manamarina na mandiso ny vaovao. Manaraka izany ihany koa dia tsy hisy hitabataba izany mialoha ireo tompon’andraikitra misahana izany. Teny mandeha roa ary no holazaiko etoana :

 

Ny voalohany tsy dia henjana amin’izany dia momba ny valimpanadinana Bepc ihany. Manahy ireo mpianatra tena nianatra teto Antananarivo renivohitra fa izay mahamarina manontolo ny matematika sy ny fizika dia heverina avy hatrany ho nahita mialoha ny lazaolana ka tsy afaka avy hatrany. Izaho izay manoratra dia efa nahavita valiny tsy misy diso amin’ireo taranja roa ireo tamin’io karazam-panadinana io ka raha izaho no tratran’izany dia ny ahy no be indrindra. Marihina moa fa rahampitso alahady vaoapeta-drindrina ny valim-panadinana Bepc eto Antananarivo. Manaraka izany ihany koa dia tsy homen’ny olona lanjany avy hatrany ihany koa ny fahafahana fanadinana Bepc amin’ity 2007 ity na dia ho afaka aza ny ankizy. Fahadisoana lehibe ho an’ny minisitera noho izany ny nanome hasina ilay fanadinana tsy ho eken’ny tontolon’ny asa fa tsy namerina azy manontolo noho ny fahihirana ihany. 

 

Faharoa izay miantraika mivantana amin’ny toe-karena malagasy mihitsy indray raha sanatria ka marina dia momba ny entana sinoa miditra eto Madagasikara. Nisy ary olona nilaza (mpiasa tsotra ao amin’ny sampan-draharahan’ny hetra ranamana) fa manomboka amin’ny volana aogositra ho avy io dia miditra tsy mandoa haban-tseranana ny entana vita avy any Shina. Na hoe manomboka volana aogositra na hoe mandritra ny volana aogositra ihany raha entana avy any amin’ny firenena matanjaka no hiditra betsaka tsy misy haban-tseranana dia tena ho loza mitatao amin’ny mpanao taozavatra eto Madagasikara. Ny firenena vaventy aza mihorohoro amin’ny Shinoa ka raha izay isika tsy ampy hopotehiny ara-toe-karena. 

 

Vao maika nampitombo ny ahiahy ihany koa ny fahenoana fa nanome (vonjimaika fa tsy maharitra) malalaka tsy mandoa vola fahafaha-mandefa mivantana amin’ny alalan’ny zana-bolana ny lalao rehetra hotanterahina mandritra ny lalaon’ny nosy ny fitondrana Shinoa. Dia nilaza, hitan’ny rehetra kosa tamin’ny tvplus omaly, ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny fikarakarana ity lalaon’ny nosy ity fa sambany no ho zana-bolana roa avy hatrany no hiasa hampita mivantana ny lalao ka afaka misafidy (amin’ny tvm sy ny mbs) ny mpijery amin’izay tiany arahina fa samy manana ny alefany ireo orinasa roa ireo. Tena maimai-poana tokoa ve ny tolotra sa misy takalony any ambadika any, tahaka ny nampidirana Shinoa maro noho ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina ihany. Ny zana-bolana faharoa kosa moa dia an’ny Eutelsat izay nampitana mivantana ny lalao maro tamin’ny kitra fokontany ihany. 

 

Tena sanatriaviko ny fahamarinan’ny vaovao anaty palitao nefa raha sanatria tokoa dia ho loza hafa no hanjo ny Malagasy.

CUA: Rava trano ny Palestiniana!

2007-07-27 @ 15:53 in Andavanandro

Amin’izao fotoana fikarakarana fatratra ny lalaon’ny nosy fahafito hotanterahina eto Antananarivo izao dia manomana aok'izany (nahitsy) ny toerana manamorona ny kianja sy ny trano itoeran’ny mpilalao ny Kaominina. Mifanindran-dalana amin'izany dia misy koa ny fandravana sy fanesorana izay rehetra heverina ho manaratsy endrika ny tanàna.

 

Raha jerena maika amin’izao dia tahaka ny misosa tsara avokoa ny arabe mety ho fandehanan’ireo vahiny ireo. Saingy raha misy ny mianatranatry ny mandeha taxibe ka mandray azy na mandalo eo amin’ny fiantsonana manoloana ny fakana lasantsy Total ampitan’ny tranoben’ny Fiaro eo Ampefiloha dia hahatsapa tsara ny kintaontaona (lavaka ngeza be mangotatana) amin’io fiantsonana somary mihataka amin’ny arabe mahafinaritra io. Tahaka ny porofo manameloka fa te-ho tsara eo anatrehan’ny vahiny mpifanila sisintany amintsika isika saingy ny tena fahatsapan’ny mponina mandalo kosa dia hahare hatrany ny haratsin’ny lalana tsy raharahan’ny Kaominina. Na izany aza tsy manamaivana ny asa be dia be vitany amin’izao fotoana izao. 

 

Fa fony mbola ampikarakarana ny dobo filomanosana hanaovana ny fifaninanana aho ka mitopy manodidina ny fakana sary dia ho hita akaiky eo ireo trano ratsy endrika tsy ara-dalàna manamorona ny lakandranon’Andriatany (ilay mifanila amin’ny lalamby no tiako lazaina). Dia lasa ny saiko tamin’izany hoe dia ho hitan’ny rehetra izany ireo trano ratsy endrika ireo. Kanjo dia rava trano ny Palestiniana androany maraina vao mifoha. 

 

Ity fitondrana tia sehoseho tia tokoa ve dia hanaiky mora ho afa-baraka amin’ireo trano ireo ? Palestianiana moa no nilazako azy satria na dia mihalehibe aza ny trano vita sady amin’ny biriky sy mitafo fanitso dia tsy tompon’ny tany sy ny trano ry zareo ka tsy menatra ny Kaominina nitondra ny Bulldozer hanjera izay rehetra mijoro. Palestiniana satria na dia efa ampolo taona aza no nipetrahana miafinafina (tsy mitomandavana manaraka ny arabe tsinona fa manaraka ny rano) teny dia tsy mananjo hitaky zavatra loatra eo anatrehan’ny mahery. Saingy manantena ry zareo fa hatramin’ny fiafaran’ny lalaon’ny nosy ihany no tsy mahazo miserantserana eny fa raha vao lasa kosa ireo vahiny maro ireo dia iverenana indray no toerana. Isika Malagasy zatra vonjy tavanandro manko tsy hahafehy mandrakizay ny olona tsy hanangana ny trano indray avy eo. Toy ny tsenan’Isotry ihany e !

Aoka re ry Pata!

2007-07-26 @ 07:36 in Andavanandro

Hendratra avy hatrany aho androany nahita ny lohateny tamina gazety mpiseho isan’andro iray. Tsy dia raharahako loatra ny momba ny antenimieram-pirenena na dia mpanara-baovao politika mavitrika aza aho. Fiainam-pirenena iny ka rehefa ao anatin’ny zony ny filoha handrava dia efa ao anatin’ny lalàna neken’ny vahoaka nifidy azy izay. Fa ity kosa dia miantraika mivantana amin’ny tena ka tsy maintsy amoahako ny fitiavan-tenako ihany koa.

Mpiasa aho ary miasa enina andro anatin’ny herinandro. Ny mahazatra aty Madagasikara moa dia dimy andro isan-kerinandro. Ny ahy kosa ny andro fahaenina dia tsy andro fanampiny hahazoana tambin-karama mihitsy fa efa voafaritra anaty taratasy fifanarahan’asa. Noho izany dia tena ilaiko tokoa ny miala sasatra fotoana lavalava (iray volana amin’ny volana ho avy io) hamoriana hery sy hanaovana zavatra hafa ihany koa. Izao ka tadiavin’ny vondron’ny patirao tanora eto Madagasikara hahena ho 15 andro sisa io zo 30 andro isan-taona io. Pata tahaka azy ireo koa moa ny filoha amin’izao fotoana izao ka azo atao tsara ny manararaotra mampiditra ny hevitra any aminy. 

 

Rehefa re fa kasaina akarina adiny 10 isan’andro ny fotoam-piasana dia ampifanarahana aminy kosa ny fampihenana ny fialan-tsasatry ny mpiasa. Loza ity marina mafy ! Ny siesta kely efa nofoanana amin’ny fotoam-piasana mitohy, ny ora kasaina ampitomboina dia mbola ampiana ity soso-kevitra ity ihany koa ! Sao dia tsy rariny ? sao dia efa tafahoatra ? Te-hiteny hoe mpiasa tsy mitsangana amin’izao efa miditra amin’ny fanandevozana maoderina nefa hatramin’ny oviana no nisy mpiasa malagasy nivondrona hanohitra lalàna manohintohina ny tombotsoany ?

Ny revin'ny zana-bahoaka

2007-07-24 @ 16:28 in Spaoro

Tsy maninona na somary mandany vola kely aza fa mifanentana amin’izany ny volon’andro. Mirevy amin’ny andro fety ? fety ho an’ny tanàna tsinona ka mety avokoa izay aloatry ny fientanam-po. Ho fantatry ny maro ihany ny anaran-tanàna. Hahagaga indray raha olona mipetraka eto Antananarivo sy mpijery televiziona na mpanara-baovao farafaharatsiny no tsy hahalala ihany an’i Morarano.

 

 Nampidirina tao anatina taxibe nofana manokana mankany an-tanàna ny entan’ny boaikely rehetra, loka tamin’ny nahazoany voalohany sy nandrombahany ny amboara tamin’ny alahady teo. Tsy mampaninona na mety hifamadika aza satria zavatra mitovy avokoa no azo dia fahitalavitra sy fitaovana manontolo ho entina milalao baolina fandaka ary fitaovana mahavariana ny tanora isan-karazany. Nahazo tsirairay avokoa ny ekipa iray manontolo (12 ny fitambarany). Tsy misy mitaingina fiara fa manaraka avy ao aoriana avokoa mihazakazaka sy mihorakoraka. Mampahatsiahy ny eny an-tanàna rehefa mahazo omby mifahy avy milalao baolina lavalava iny. Tamin’ity kosa dia tanora 11-15 taona no nahazo loharanom-pifalian’ny tanàna iray manontolo. Ny fiara misy ny loka sy ny amboara no solon’omby…

 

 Izay andalovana ihany koa efa nieritreritra ny haheno horakoraka ary izay tsy mahalala satria tsy liana amin’ity lalaon’ankizy ity ataony mahalala amin’izay. Iny Ankadilalana miakatra ho any Tsimbazaza iny dia mandeha toa ho any Manakambahiny amin’izay. Haheno ny horakoraky ny mpilalao sy ny mpanohana mahatratra anjatony mety hanakaiky ny anarivony mihitsy. Tsy mahalala reraky ny lalao nafana ny tovolahy fa mazoto hatrany noho ny zavatra azo. Na lahy na vavy toa mpanao fanatanjahantena vetivety teo avokoa.

 

 Niavaka tokoa ny ekipan’ny Jsm Morarano. Voalohany : tsy mba naka anaran’ekipa vaventy sahala amin’ny hoe Barça, Juventus sy Olympique ary ny hafa izy fa tanora mpikotran’i Morarano ihany no anarany. Teny frantsay ny anarana nefa efa nataon’ny fitondram-panjakana ho teny ofisialy io sy ny teny anglisy. Manaraka izany ny mpanohana izay nafana fo hatrany nandritra ny fihaonana rehetra nataon’ny ekipany. Mivondrona tsara ka nanome hery lehibe ho an’ny zanany tsy hatahotra na kely na lehibe sy mahay mifandona aminy. Samy zanak’olona sahirana koa moa nefa mahay mifanohana. Ary farany ny mpanazatrany irery ihany no nianjaika tamin’ny lalao famaranana. Nanatrika teo avokoa manko ny mpanazatran’ny ekipa nilalao nandritra ny fifaninanana. Nanome hasina ny zavatra nataony izy ka mendrika azy ireo ny fandresena.

 

 Alina vao tonga tany an-tanàna ka niara-nisakafo avokoa ny rehetra rehefa avy notsenan’izay nijanona tao an-tanàna ny avy niantafika nahazo amboara. Avy eo nisy alim-pifaliana nakotrokotroka  niarahan’ny rehetra nitsinjaka fa izay no revy antonona ny vanim-potoana e ! Dia hotsaroan’ny boaikely sy ny tanàna fa efa nahazo fandresena sy nalaza teto an-tanàna ry zareo nandresy an’Andrady II tamin’ny kitifitifi-baolina rehefa nisaraka tsy  nisy maratra tao anaty fotoana ara-dalàna.

Resy ny fon-dray (Pety Rakotoniaina)

2007-07-20 @ 07:40 in Politika

Voasambotra Atoa Pety Rakotoniaina no ambentintenin’ny gazety maro teto an-tanàna. Ny mahavariana dia tsy nanisy resaka io mihitsy androany ny Le Quotidien izay fantatsika fa fananan’ny filoham-pirenena ankehitriny. Raha amin’ny fiheverana tsotra fotsiny amin’izao dia nahomby ny tetika nataon’ny mpiandraikitra io raharaha io tamin’ny fampitahorana sy fampisamborana ireo rehetra manodidina ity Ben’ny tanànan’i Fianarantsoa ambonivohitra ity. Efa nolazaiko tany aloha tany ny nisamborana ny vadiny izay mbola voatana any am-ponja aloha hatramin’izao raha tsy efa nisy ny fiovan-javatra taorian’ity fisamborana ity. Mbola vao ny andininy voalohany iny nisamborana ny vadiny toy ny takalon’aina iny.

 

Ahoana indray ny amin’ny zanany ? Mazava loatra fa tsy eo ny mpikarakara voalohany ny zanaka. Naseho gazety ny fitarainan’ny zaza ho tsy misy mpiahy. Ny antoko tambatra heveriko ho nanao izany dia nanao io fihetsika io hanehoana amin’ny mpiray firenena fa toy ny tsy mifaditrovana ihany ny mpitondra fanjakana. Ny ankilany indray zarany aza misy iny hiaka iny hanairana ilay ray voatery nandositra. Iza amin’ny Malagasy (na olombelona manana fo sy fanahy) no tsy hihovitrovitra manoloana ny fitarainan’ny zanaka ? Dia nifamonjy aloha ny mpiray antoko (Tambatr’i Madagasikara) hikarakara ireo zaza ireo. Fa olonkafa ve moa hahasolo ny tena ray aman-dreny ? Nahita ny fihetsiky ny antoko ny mpiandraikitra ny fitadiavana manokana an-dranamana dia nampiantsoina indray na notadiavina ihany koa ireo tena nanolo-tena hikarakara ny zaza. Ka iza no tsy ho vahotra ? Nanomboka hatreo dia ora sisa no nandrasana higadonan’ny rain’ny zaza !

 

Tsy maintsy nitsakotsako lalina tany antsain’ny ray ny manjo ny zanaka. Ny renin’ny zaza tsinona tazonin’ny manampahefana. Hatao ahoana ny hambom-po tamin’ny fihatsiana fa handoa avo roa heny ny vola nampanantenain’ny governemanta izy ? Iza no tsy mahalala ny tenany tamin’ny fahasahiana nananana ? Marina fa diso ny paika tamin’ny nampanantenan’ny Jeneraly Fidy ny hionganan’ny filoha nandritra ireny vanim-potoanan’ny fifidianana ho filoham-pirenena ireny. Raha notohizany izay nilofosany tahaka ny tamin’ny nananganana ny Tambatra nanerana an’i Madagasikara tsy ho toy ireny ny vato azony tamin’ireny fotoana ireny. Hay moa ka fipoahana tahaka ny fipiaky ny zozoro maina ihany no nataon’ilay Jeneraly mahery fo tamin’ny taona 2002. Ankehitriny, nitsonika ny hambom-po. Tsy tadiavina intsony fa andrasana. Voadona tany amin’ny naharary azy izy.

 

Na izany na tsy izany, nanahirana ireo nirahina hikaroka sy hisambotra azy ihany ny lehilahy. Nisy ihany ny fikorontanana teo amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny fiandrianam-pirenena. Tamin’ilay namparatra polisy roa tao Behoririka saiky hisambotra jiolahy ireny ka Officier ny iray tsy tokony ho ny polisy misahana ny adi-heloka bevava mihitsy no hiandraikitra ny fisamborana fa ny polisy misahana ny fisamborana jiolahy. Saingy lany andro foana tany Fianarantsoa io sampan-draharaha farany io. Singa iray ihany izany mba entiko ilazana fa toy ny naato mihitsy aloha ny asa andavanandro hisamborana olona iray. Mampahatsiahy tampoka ilay tantara mitondra ny lohateny hoe Robin Wood na mety azo atao hoe Robenan’ny Ala raha atao malagasy anarana io tantara io. Dia mbola lasa ihany ny eritreritra na dia izany aza hoe azo ampitahaina amin’io tantara vahiny io tokoa ve ity tranga misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ity ?

Baobaba sa Ravinala?

2007-07-19 @ 07:24 in Toekarena

Mahavantana ny Malagasy rehafa manao sarim-pamantarana an’I Madagasikara eo amin’ny zavamaniry ny mametraka sarina ravinala. Vao tsy ela akory no nahenoako fa ny toerana be mpitsidika indrindra eto Madagasikara dia ny lalam-ben’ny Baobaba (allée de baobab) any Morondava any. Nisy aza moa mpitarika mpizahantany nanamarika fa ny Japoney rehefa tojo ireny Baobaba ireny dia sahala ny mahita andriamanitra mamihimpihina azy eo. Ary mihevitra ny maro amin’ny mpizahantany fa tsy nitsidika an’I Madagasikara raha tsy mahita Baobaba. Nianarana tany ampianarana rahateo fa misy karazany fito izy io eto Madagasikara raha tsy misy afa-tsy karazany tokana monja any Afrika.

 

Tsy tana ny eritreritra eo anatrehan’izany toe-javatra toa mifanohitra izany. Ataon’ny malagasy ho rehareha ny ravinala ary manamarika izany indrindra ny sary famantaran’ny lalaon’ny nosy fahafito hotanterahina tsy ho ela, toa tsy ao an-tsaina loatra mifanindran-dalana amin’izany ny Baobaba. Dia hoy aho hoe maninona moa mahafantatra io fitiavan’ny mpizahantany io raha mba misy sary famantarana zavamaniry hafa ihany koa ka tsy ambaniana mihitsy ny Baobaba fanintonanaireny vahiny ireny hitsidika an’I Madagasikara?

Scoop: Laza adina Bacc mivoaka mialoha?

2007-07-16 @ 13:55 in Kolontsaina

Malaza ankehitriny moa ny momba ny laza adina Bepc nivoaka mialoha teo. Ankehitriny aho dia hilaza izay fantatro sy hitako ny amin’ity raharaha ity. Tsy ny tamin’ny farany teo ihany fa na dia ny teo aloha aza.

 

Efa hatramin’ny ela no nisy hatrany io laza adina nivoaka mialoha io ary tsy ny Bepc aza no malaza amin’io fa ny Bacc indrindra indrindra. Tsy re na tonga any amin’ny mpampahalala vaovao izany fa eo amin’ny samy mpianatra no tena miampita. Nampanontany tena mihitsy hoe ahoana ary no ahafantarana mialoha sahady ireny laza adina ireny? Indray atoandro aho (efa nianatra teny amin’ny anjerimanontolo aho tamin’izay) dia nahita teny amin’ny tany malalaka iray akaikina foibem-panadinana ankizy maromaro miara-mijery laza adina matematika an’ny vondrona A2. Dia misy iray amin’izy ireo manorotoro ny famahana ny olana. Notadidiako mihitsy ny ankapoben’ny laza adina. Tonga ny hariva firavan’ny mpiadina dia nanontany ankizy aho mba hijery ny laza adina nataon’ny vondrona A2. Nitovy tsy nisy valaka tamin’ny nohadihadian’ny ankizy niaraka mihitsy ilay laza adina. Teo aho vao nanaiky fa tena misy tokoa ny fivoahana laza adina mialoha. 

 

Dia nampitamberina ny tamin’ny fotoan’andro nanalako Bacc aho avy teo. Izaho moa dia nanaraka ireny fampianarana fanampiny ireny tamin’izany fotoana. Dia nahatadidy aho fa rehefa amin’ny faraparan’ny fotoana dia manome laza adina sarotsarotra ireo mpampianatra no sady namerina ingahy mampianatra fa mifanahatahaka amin’io ny laza adina mety hivoaka. Tsy dia niraharaha izany loatra moa aho fa dia nianarako tsara avokoa ny zavatra rehetra (amin’ny matematika io). Ny mpiara-mianatra tamin’izany moa no nanamarika fa matetika ny laza adina farany amin’ireny fampianarana fanampiny ireny dia maro itovizana amin’ny laza adina mivoaka hatrany. Inona no antony? 

 

Ingahy minisitry ny fampianarana sy ny tompon’andraikitra sasany moa dia nilaza fa sarotra ihany ny antony mety hivoahan’ny laza adina mialoha. Ny rafitra napetraka no manamarika fa ireo izay manao ny laza adina dia avahan-toerana 40 andro mialoha no sady tsy mahazo mifanerasera na amin’iza na iza eny fa na dia ny mifampiantso aza. Matetika io fitenenana io no ilazan’ny tompon’andraikitra fa tsara ny faaraha-maso ny mpanao laza adina. Io indrindra anefa no nahitan’ny sasany hevitra.  

 

Mpiaramiasa ka mifankafantatra ny mpampianatra ka samy mandefa na samy manana ny laza adina omaniny ho amin’ny fanadinana. Matetika mifampihaona izy ireo ka mifanome sopapa any alohaloha any. Ny sopapa eto dia hoe raha tsy hita tampoka aho dia ireto ny laza adina hataoko any amin’ny fanadinana. Dia mifampiandriandry eny ry zalahy sy ry zavavy mpampianatra. Koa raha misy mpampianatra tsy hita elaela dia samy kaopy araka ny fitenenan’ny tanora azy ny rehetra. Ary ataoko fa azonareo amin’izany ny tiako lazaina. Noho izany: efa karazan’ny lany andro ihany ny fanaon’ny mpiandraikitra fanadinana hatramin’izao fotoana izao raha io fomba nolazaiko io ihany no tohizan’ny minisitera. Mety ho tetika hafa koa moa ny manavaka amin’ny efitra iray mpiadina tsy misy akory fa ahafahana mahazo mialoha laza adina no tena tanjona nefa vinavina ihany ity faharoa ity ary ny sefon’ny foibem-panadinana no afaka manao izany aha tsy hoe efa misy omena azy ireny mialoha.

Lavo ny andrarezina

2007-07-16 @ 13:48 in Spaoro

Izay lohateny nataon’ny Vaovaontsika izay ihany no averiko etoana. Raraka teo amin’ny 1/16n’ny famaranana avokoa manko ny ekipa roa noheverin’ny mpanatrika fa hiatrika ny famarananana tamin’ny kitra fokontany. Efa nosoratako reo ekipa roa ireo dia ny Fc Andrady I sy ny FC Totoafo 67ha. Ny ekipa voalohany dia nahintsan’ny “Ny Mpiremby” tany amin’ny tifitra ifandimbiasana rehefa avy nanao ady sahala 1 noho ny 1.  

Ny ekipa faharoa kosa dia lavon’ny Juventus Tsarafaritra (Tsimbazaza) 3 noho ny 1 be izao. Samy tany amin’ny fidirana faharoa avokoa ireo baolina tafiditra ireo. 67ha no nisantatra ny fampidirambaolina ka nanantena ny handany fotoana fotsiny avy eo. Kanjo tratran’ny patsa iray tsy omby vava fa nahatafidirana baolina 2 tao anatin’ny 2 minitra monja. Ny baolina fahatelo dia 5 minitra taorian’ny baolina faharoa. Ny tsy fahafantaran’ny Totoafo ny mpifanandrina taminy no lesoka lehibe nahavoa azy. Tsarafaritra anefa nahita ny filalaon’ny Totoafo tamin’ny fahitalavitra hatrany (Tsy dia nandeha mivantana tamin’ny fahitalavitra ny lalaon’I Tsarafaritra no tsy nahalalan’ny mpanazatra azy).

Ny mpiara-miasa amiko izay manan-janaka milalao amin’io Tsarafaritra io no nilaza tamiko fa efa zatra nibata ny amboara ity ekipa ity isaky ny misy ny fifaninanana ilalaovan-dry zareo any amin’ny faritra atsimo sy atsinanan’ny tanànan’Antananarivo.

Ady toeran'ny TIM

2007-07-12 @ 06:59 in Politika

ity ilay lahatsoratra tokony ho nivoaka omaly ary tsy nisy novaiko mihitsy. 

Dia somary malazalaza indray moa ny fifanolanana eo amin’ny samy lohandohan’ny ao amin’ny antokon’ny filoham-pirenena. Dia tahaka ny azo tsorina hoe Atoa Razoharimihaja sy Ranjivason no tena mifampiandry kendritohina. Raha tamin’ny famalin’ny filoham-pirenena tamin’ny resaka tamin’ny mpanao gazety dia toy ny mahazo tombony ihany ny filohan’ny TIM ankehitriny. Raha jerena ihany koa dia tahaka ny mety ho latsaka ihany Atoa Ranjivason. Izao manko no lesoka amin’ity farany: Tao amin’ny antoko MFM ny lehilahy teo aloha. Manana ny fahaizany sy ny fomba fisainany ny ao amin’io antoko io fa misy koa ilay lazany amin’ny fanakorontanana. Fa izao kosa no heveriny ho tombony: Samy avy any Alaotra ry zalahy ka mihevitra ny hahasolo iray ilay minisitra teo aloha.

 

Na izany na tsy izany dia nisy lesoka lehibe ihany koa ny an’ny filohan’ny TIM ankehitriny. Teo aloha ny avy amin’ny hevitra nabosaky ny andaniny dia ny fanadinoana ilay zaikaben’ny antoko. Manaraka izany ihany koa dia naneho tsy fanarahana ny toetr’andro na ny filamatry ny filoha ny endri-tsaina narantiranty manerana ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena teo iny. Ny sarin’ny Madagasikara dia misy fizarana araka ny fari-piadidiana (faritany teo aloha) fa tsy araka ny faritra 22. Manaitra ny maso io toe-javatra io na dia mety heverin-dry zareo ho sary fotsiny amin’izao aza. MampanOntany tena manko hoe tena manaraka ny toromariky ny filoha tokoa ve ry zareo?

Totoafo FC ihany!

2007-07-11 @ 17:23 in Spaoro

Lahatsoratra fahatelo avoakako androany. Malaza ho an’ny mpitia baolina fandaka amin’izao fotoana izao ny “kitra fokontany” karakarain’ny MBS Groupe ao amin’ny kianjan’ny Masindahy Misely Amparibe. Ekipa 125 tokoa ny efa nifanintsana andro maromaro izay. Efa miditra amin’ny fihodinana fahatelo moa ny lalao amin’izao fotoana izao. Katitakely eo amin’ny 11 ka hatramin’ny 15 taona no mifanintsana amin’izany. Mazava loatra fa samy manohana ny any amin’ny fokontaniny ny mpitia baolina fandaka.

 

Hita ihany koa fa misy ireo ekipa efa manana ny haizatrany tokoa na dia mbola boaikely aza no milalao ary misy no taitra tamin’ny dokambarotra nataon’ny fahitalavitra raha vao nisy ny fifanintsanana. Sarotra na dia izany aza no ahitana fahagagana fa ny mahay ihany no mety ho tafita. Mizara sokajy maromaro manko izy rehetra ka ny sokajy iray misy ekipa efatra. Dia ireo no mifampihaona ka ny voalohany ihany no tafita amin’ny 1/16n’ny famaranana.

 

Misy dia misy ireo tena miezaka sy mahay nefa manana lesoka be raha vao manao ady sahala fotsiny. Sarotra ny ahatafita raha vao resy indray monja. Na izany na tsy izany dia tsy maintsy manohana ny avy any amin’ny foktontany misy ahy ihany koa aho sady efa tafakatra amin’ny 1/16n’ny famaranana rahateo ry zareo. Totoafo FC 67ha ihany no ady eo e! Marihina fa ny tena mpifanandrina mampiaiky ny maro mpanaraka indrindra dia ny FC Andrady avy ao Itaosy nefa ho hita eo izany e!

Maharena tokantrano

2007-07-11 @ 17:14 in Andavanandro

Lahatsoratra faharoa androany ity. Nalaza eran’izao tontolo izao ny fahabetsahan’ny mariazy notontosaina tamin’ny 07/07/07 teo iny. Betsaka moa ny resaka efa nandeha tamin’iny fa ny mba tsy aritro dia ny marizain’ny “cousine”-ko nalain’ny gazety ny vaovaontsika sary lehibe teo amin’ny voalohan’ny takelaka sady nisy filazalazana tsotra momba an-dry zareo tao anatiny. Dia faly ny tena ary mitso-drano hoe “maharena tokantrano sady ho arahin-jazalahy sy zazavavy e!”

Adin'ny samy TIM

2007-07-11 @ 17:11 in Politika

 

 

Tongobolo

2007-07-06 @ 07:57 in Ankapobeny

Indrisy manko ry afa-nanidina toy ny lolo

Ankehitriny ianao mangina toa zary tongobolo!

 

 Tsy hitako loatra izay hanombohana ity soratra ity! Mikasika ny tena manokana manko fa tsy mba mikasika firenena na eto an-tanàna. Tsy mivantana fa ankolaka.

 

 Fahafinaretako ny nandefa papango hafatra. Fialamboliko ny manety papangom-baovao. Fa nangina ny rivotra mampanidina azy lavitra; ka tsy manan-ko-tazanina intsony. Raha mba azy moa ny kofehy fampanidinana leoko ihany fa samy mpiantsambo izao ihany.

 

 Fa raha misintona papango hira izy, izahay misintona papango tapaka. Raha mahazo papango sary izy, izahay mionona amin’ny papango miandry. Indrisy, toy ny tongobolo sisa ka sokafana vao mahazo rivotra nefa fotoana kely dia kely izany ka tsy ho ampy ijerena hazavana akory.

Ny momba an'Ialy Rakotoniaina

2007-07-03 @ 08:17 in Politika

Ho an’izay tsy mahalala dia izy no vadin’Atoa Pety Rakotoniaina izay karohin’ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana izao. Ataoko fa efa renareo hoe nohidian’ny mpitondra any amponja io ramatoa io amin’izao fotoana izao. Ampangaina ho miray tsikombakomba tamin’ireo nandoro ny Amphi ao Andrainjato ao Fianarantsoa izy. Ataoko, araka ny hevitro manokana, fa fomba entina hitazonana azy fotsiny izay iampangana azy amin’izao fotoana izao. Hafa ny zavatra tian-ko tratrarina dia ny hanoloran’Atoa Pety Rakotoniaina tena any amin’ny manam-pahefana.

 

 Mety hitroatra avy hatrany isika amin’ny fandrenesana izay nambarako izay sy avy amin’ny tsoa-kevitra fa karazana takalon’aina izany ramatoa amin’izao fotoana izao. Dia mety ho tonga amin’ny filazana fa mihoa-pahefana ny fitondrana amin’izao fotoana izao amin’izany fihetsika izany. Tsy hitsara avy hatrany ny zava-misy amin’izao fotoana izao aho fa te-hilaza fotsiny hoe efa fanaon’ny mpitandro ny filaminana eto an-toerana efa fotoana lava io tranga io fa izay vao nihatra tamina mpanao politika na olona fanta-bahoaka.

 

 Indray mandeha aho nanao zavatra tamina kaomisaria iray teto Antananarivo. Fotoana mialoha indrindra ny taona 2000 ity tranga tantaraiko ity. Nisy olona nampanantsoin’ny polisy indrindra tamin’ny fotoana nandehanako tao fa tsy ilay olona no tonga tao. Ny vadiny sy ny reniny no tonga tao. Niteny mafy (maharary!) ihany ilay nandray ireo olona ireo ka nanao hoe: rehefa tsy tonga izany izy dia tsy maintsy mijanona ny iray aminareo mandra-pahatongany. Tsy nahalala izay tohiny intsony aho satria efa vita ny taratasy nataoko tao. Averiko indray fa fitantarana fotsiny no ataoko etoana fa tsy milaza ny amin’ny fanajana ny Zon’olombelona sy ny karazany aho eto.

 

 Manoratra ihany rehefa manana fahafahana e! 

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jolay 2007 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox