Taombaovao Merina, Taombaovao Iraisana

2022-04-23 @ 20:51 in Ankapobeny

Maro ireo hevitra mipongatra ary misy ireo ary fitaovana maneho sy mampiely izay arovany fatratra momba ny taombaovao malagasy. Miezaka ny mieli-patrana amin'ny haino vaky jery izy ireny handifotra ireo manana hevitra sy fijery hafa izay manahirana an-dry zareo ny manohitra azy eo amin'ny lafiny ara-tantara. Iray amin'izay tsy zakan-dry zareo ity mpaneho hevitra iray ity satria zanaky ny efa mpitondra tao amin'ny Trano Koltoraly Malagasy tao. Apetraka etoana mba ho mora tadidy sy ho mora karohina rehefa tadiavina. Eris Rabedaoro nasain'i Gascar Fenosoa avy ao amin'ny Real TV.

Alahamady sy taombaovao fahagasy

2022-04-20 @ 18:07 in Ankapobeny

Efa mahafantatra ny fironako amin'ity raharaha ity ny mpamaky ahy. Napetraka eto indray ity ho fahatsiarovana sady hevitr'olona hafa.

Bryan! Dylan! Samia olom-banona!

2022-02-22 @ 00:04 in Ankapobeny

Fa satria manko tsy namaoka ny endriny ilay depiote dia aleo tsy avoaka ilay sary tsy ahitana afa-tsy ilay mpampianatra. Fa esoeso mifandraika amin'izany kosa ity mivoaka eto ity ho fahatsiarovana

Ny fanalan-jaza : aza mba tratran’ny fihatsaram-belatsihy sy voafitaky ny henatra

2021-10-24 @ 23:45 in Ankapobeny

Adihevitra iray mandeha amin’izao fotoana izao eto Madagasikara ny volavolan-dalàna iray izay tonga dia raisin’ny maro ho fanalan-jaza na dia misy anarany amin’ny teny frantsay aza. Efa nisy ny volavolan-dalàna natolotra mitovitovy amin’izany ihany dimy taona na mihoatra izay teny amin’ny antenimieram-pirenena fa tratran’ny fandavana moa araka ny resaka ao amin’ny media sosialy ao. Nanana ny lazany, indrindra fa tany Frantsa izay tahafin’i Madagasikara matetika, izany « Interruption Volontaire de la Grossesse »  izany… fa ity tsy neken’ny maro teto. Ankehitriny kosa indray  dia volavolan-dalàna mametraka ny anarana teny frantsay manao hoe « Interruption thérapeutique de la Grossesse».

Ny Fiangonana Kristiana maro eto Madagasikara amin’ny alalan’ireo mpitondra fivavahana ao aminy dia mirona avy hatrany amin’ny fanoherana ny fanalan-jaza. Safidy sy faharesen-dahatra izany fa ny soratako etoana kosa indray dia fampisainana hoe mifanaraka amin’ny filazantsaran’i Kristy tokoa ve ny ampianarina na ny torian’ny Fiangonana eto Madagasikara, indrindra fa amin’ity lafiny iray ity? Tsy hanamarina na handiso izay atao sy lazain’ny Fiangonana aho fa hevitro fotsiny ny hoe anisan’ny asan’ny Fiangonana ny mamory ireo very na voahilikiliky ny fiaraha-monina sy ny hitaiza azy ireny tsy hamerina intsony ny fahadisoany.

Endrika idealin’ny ankohonana ny fisian’ny ray sy ny reny ary ny zanaka fa betsaka anefa ireo ankohonana no banga ny iray amin’ireo toko telo ireo : misy ny ankohonana tsy misy ray, misy ny ankohonana tsy misy reny ary misy ny ankohonana izay mpivady ihany no mandrafitra azy fa tsy manan-janaka ry zareo. Ny betsaka indrindra amin’ireo dia ny ankohonana tsy misy ray, sady voasakana tsy hanana andraikitra ao am-piangonana matetika ilay reny tsy manambady ara-dalàna… na tratran’ny fahamenarana ka tsy miditra am-piangonana intsony raha tsy hoe misy fiangonana mitory ny filazantsara amin’ny toerana iray vao nidirany ka mandray ireo mangetaheta ny teny sy ny sitrapon’Andriamanitra.

Lava izay voasoratra izay fa misy tantara izay ao amin’ny filazantsara ao, Jaona 8 :1-11 no misy azy mazava tsara. Tantaran’ilay vehivavy lazaina ho azo olan-tanana nijangajanga, izany hoe raha lazaina manta sy tsy ankifidy teny dia vehivavy tratra niray tamin’ny lehilahy tsy vadiny nentin’ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ho eo amin’i Jesoa mihitsy hitsapany ny heviny. Mariho mazava tsara ireto zavatra manaraka ireto :

Voalohany, nandritra ny fotoana nampianaran’i Jesoa no tonga avy any ireo mpahay ny lalàna (izay azo lazaina hoe mpahay Soratra Masina raha amin’izao fotoana izao) ireto. Tapaka izany ny fampianarana nataon’i Jesoa tamin’ny vahoaka tao an-tempoly fa teren’ireto olona ireto hamaly izay tokony atao amin-dravehivavy i Jesoa.

Faharoa, ravehivavy no azo fa lasa aiza ralehilahy ? Ahoana no ilazana fa tratra nijangajanga izy nefa tsy nisy lehilahy na olona hafa tratra niaraka taminy nanao izany fijangajangana izany ? Sa, sao dia bevohoka tsy manambady ary ravehivavy ka ny vohoka nentiny no porofo iampangana azy ho nijangajanga ? Dia tsy nitady hevitra hanesorana ny zaza ve ravehivavy rehefa hitany fa bevohoka izy ? Aoka atao mazava tsara fa tsy misy filazana hoe bevohoka izany mihitsy ny lahatsoratra tondrointsika eto fa faminavinana fotsiny izany noho ny tsy fahitana sy ny tsy fahafantarana hoe iza ilay lehilahy niaraka taminy (na mety ho nahabevohoka azy).
 
Fahatelo, niondrika i Jesoa ary nanoratra tamin’ny rantsa-tanany ny tany teo anoloany nandritra ny fotoana nitenenan’ireto olona nitsapa na nanadina azy ireto. Inona no dikan’io fihetsika io ? Soraty ho lalàna izay ambarako etoana ? Mieritreritra izay holazaina ? Avy eo izy nitraka dia niteny hoe « izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy voalohany » ary dia niverina niondrika izy ka nanoratra indray.

Manaraka, niala tsikelikely nanomboka tamin’ny zokinjokiny ka hatramin’ny zandrizandriny ireo olona tonga hiampanga ilay vehivavy satria samy nanota daholo, tsy nisy na iray aza afaka nitoraka ilay vehivavy voalohany. Efa nanota na dia ny mpahay lalàna sy mpanora-dalàna sy izay miseho masina aza. Feno fihatsaram-belatsihy ry zareo nanatona an’i Jesoa saingy niala maina rehefa tratra tamin’ny laingony : Samy manam-pahotana avokoa fa matoa ny zokinjokiny no niala voalohany dia satria mahatsapa ihany ao anatiny ao fa be fahotana. Ny zandriny kosa indray sakodiavatra satria ny mety ho mpitarika no niala mialoha.

Tohiny, hoy i Jesoa tamin’ilay vehivavy « Izaho tsy manameloka anao ». Nahoana izy no tsy manameloka ? Izay rehetra miseho mahalala ny Soratra Masina sy mahalala an’i Jesoa dia tokony hahafantatra fa (farafaharatsiny eo anatrehan’i Josefa izay lasa tondroina ho rainy nefa mahafantatra tsara fa tsy rain’ny zaza izy) dia zaza tsy manandray izy (eo amin’ny Fiarahamonina raha tsy nozanahin’i Josefa), ary bevohoka azy tsy anatin’ny fanambadiana ara-dalàna (fa vao mifamofo) ny reniny.  

Ny tantaran’ny Fiangonana anefa tsy hahitana loatra ny fiahiana ny zaza tsy manan-dray fa feno tranga kosa amin’ny fanilihana ny vehivavy tsy manambady nefa nisafidy ny hiteraka sy hamelona ny zanany. Zary voaheloky ny Fiangonana miseho ho masina ilay vehivavy nolazain’i Jesoa hoe « izaho koa tsy manameloka anao ». Tsy hitan’ny Fiangonana na iniana tsy fantarina anefa izay lehilahy nahabevohoka ilay vehivavy dia toa mitovy amin’ireto nataon’ny Mpanora-dalàna sy ny fariseo ka ny vehivavy ihany no ampangaina (mety noho ny vohoka no porofon’ny fijangajangany). Fa mifanindran-dalana amin’izany, odian’ny Fiangonana (andeha atao hoe sasany) tsy fantatra na tsy resahana ireo fantatra ihany fa bevohoka saingy nanala zaza noho ny henatra.

Fehiny, tsy misy mihitsy hatreto fanamelohana na fiarovana ny fanalan-jaza fa ny antony iray mety ho mahatonga ny fanalan-jaza no voalaza. Arovan’ny Fiangonana sy sahaniny amin’ny tsy fanilihana mivantana na ankolaka ve izay vehivavy niteraka tsy manambady satria na Jesoa aza tsy manameloka azy raha ny hita ao amin’ny Jaona 8 :11b ? Koa raha tsia no valin’io fanontaniana eo ambony io dia inona no tanjon’ny Fiangonana manameloka ny « fanalan-jaza amin’ny endriny rehetra » nefa tsy anontaniana ny heviny ny amin’izany izy ? Mariho tsara ny tantara fa tsy i Jesoa no nisolantsolana nanakana ireo mpanora-dalàna sy fariseo tsy hitoraka ilay vehivavy fa ry miseho ho masina no nanapaka ny fampianaran’i Jesoa tamin’ny vahoaka. Dia tokony haka tahaka ny nataon’i Jesoa koa ny Fiangonana. Hanamelohanareo ahy ve izay voasoratra rehetra izay ?

Resy tsy miady! mandra-pivoaka izay mety ho fanitsiana!

2021-10-19 @ 23:29 in Ankapobeny

Efa nosoratako any amin'ny tambajotran-tserasera any fa am-bolana aho izao no tsy manaraka vaovao mijery fahitalavitra. Rehefa dinihina dia ahitana vaovao haingana ny media sosialy na mety hisy fitongilanana sy tsy feno aza. Etsy ankilany dia toy ny zava-mahadomelina ihany koa io rehefa ijanonana ela loatra ao aminy ao, satria sarotra ny ivoahana avy ao rehefa mahatsikaritra fa lava ny fotoana nolaniana tao.

Ny nanaitra izao dia ny filazana fifampidinihana teo amin'ny mpitondra fanjakana sy ny mpitantana ny CFFA izay ekipa vao haingana saingy efa nisolotena an'i Madagasikara sahady eo amin'ny sehatra baolina fandaka afrikana. Iray amin'ny nampalaza azy ny nandraisany ny lokon'ny antokon'ny mpitondra. Niadian-kevitra teo amin'ny tontolon'ny mpankafy io ny amin'ny tsy tokony hampidirana politika ny fanatanjahantena.

Rehefa resin'ny Interclube avy ao Angola tamin'ny isa 0 sy 3 tao Mahamasina ny CFFA dia nanambara ny 19 oktobra 2021 fa hanambara ny ekipany ho "forfait" amin'ny lalao miverina. Nilaza kosa ny mpitondra fanjakana fa hanamboarana kianja manara-penitra ao Atsimondrano ny vola saika hampiondranana ity ekipa ity. Tezitra avy hatrany ny maro tamin'ireo nahazo ny vaovao hoe ahoana ity resy tsy miady ity, io ekipa io ve ilay nolazaina fa asolo ny Barea? Toe-tsain'ny mpanao fanatanjahantena ve izany? Efa nisy ny lalao nanan-tantara teo amin'ny baolina fandaka fa mbola afaka miady tsara amin'izany isa izany na dia hoe resy an-trano aza.

Iray amin'ny nahatonga ny resabe manko, ary izay no mety ho nandraisany ny lokon'ny mpitondra fanjakana, fa tokony ho roa ny solontena malagasy (tompondaka sy fiadana ny amboara) fa tonga dia tsy nandray anjara ny ADEMA satria tsy manambola ho enti-miatrika izany lalao iraisampirenena izany. Ity ekipan'i CFFA ity kosa indray nahazo fanohanana avy amin'ny mpitondra fanjakana fa... "mbola latsaka be ny haavom-pahaizan'ny ekipa" ka aleo milamina tsy manafika any Angola intsony. Be no mihevitra fa potika hatrany izay lalovan'ny politika ary tsy afa-miala amin'izany ny CFFA. Lesona ity sy ho fampahatsiahivana fa nisy izany toe-javatra izany.

Ny zavamisy dia mbola tsy afaka mihitsy ny baolina fandaka eto Madagasikara (tsy miresaka Barea aho eto) noho ny tsi-fetezan'ny rafitra fampidiram-bola ao aminy ka mampiankina azy amin'ny politika toy izao mitranga izao. Tsy mametraka mangarahara ny fivarotana tapakila sy ny vola azy avy amin'izany ary manjaka amin'ny sehatra iva loatra ny vola. Tsy tafiditra anaty rafitra ny baolim-pokontany izay mahazo olona sady maimaim-poana ny fijerena izany lalao izany. Fomba fitantanana tsy ho lasa lavitra mihitsy izany. Raha te-hampandroso ity taranjan'ny baolina fandaka ity dia tsy maintsy mijery ny rafitra fampidiram-bolan'ny ekipa sy ny ligy mbamin'ny federasiona mihitsy hahazaka tena fa raha mbola tsy mihevitra izany dia aza manantena vokatra tsara na hikarakara taniketsa sy katita aza.

Tsy ho mora mihitsy ny handresy an-dRajoelina

2021-10-17 @ 21:31 in Ankapobeny

Manoratra etoana aho, tsy tiako ny hanoratana azy ity any amin'ny tambajotra sosialy fa ny ho tahiry amin'ny zavatra hitranga rahatrizay no antony ametrahana azy eto. Rehefa hisy ny adihevitra dia any no ilazana azy fa raha any amin'ny tambajotra sosialy any ho very anjavony vetivety satria izay manaraka politika ihany no mety hamaky fa ny hafa tsy hiraharaha.

Tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny taona 2018 aho dia gaga mahita ireto olona avy amin'ny fokontany sy kaominina mifanila amin'ny anay. Misesisesy ry zareo manao fôtôkôkia ny kara-panondrony. Dia nisy ny nanontaniana fa tsy namaly mazava fa hoe misy ilaina azy fotsiny. Nisy ihany anefa ny nilaza ny antony ary niangavy mba tsy holazalazaina loatra, na dia mahafantatra aza ilay olona fa mpanohana an-dRavalomanana aho sady misy afisin-dRavalomanana rahateo ny varotro. Misoratra anarana ao amin'ny filohan'ny Mapar ao amin'ny fokotanin-dry zareo ry zareo fa handrotsa-bato ho an-dRajoelina ary dia omena valisoa ihany koa avy eo.

Nandalo tao amiko ihany koa io filohan'ny Mapar io fa ny mba hahazoan'ny fokontaniny tombondahiny no antony voalohany nanentanany ny mponina ao aminy hifidy Rajoelina. Voalohany amin'izany ny fangatahana hanorina tetezana iray tena ilain-dry zareo. Angamba nahare ny fisisihanay nanontany ny antony hanaovana fôtôkôpia no nahatonga azy nandalo. Efa mpanentana hatramin'ny andron-dRatsiraka izany olona izany.

Rehefa nandeha ny fifidianana ary dia nandresy be tao mihitsy Rajoelina, ary raha ny kaominina Ambohimanga Rova nisy azy aza dia tena nitarika lavitra Rajoelina. Azo heverina fa mety hisy fitoviana amin'ilay fokontany nolazaiko ireo fokontany telo hafa mifanila aminay izay avy ao amin'ny kaominina io.

Ny kaominina Anosy Avaratra misy anay izay mifanila aminy anefa dia Ravalomanana ihany no nitarika na dia niha-ety kokoa aza ny elanelam-bato satria ny ilany andrefana amin'ny fokontaninay dia nifanintsana ny isa azon-dRajoelina sy Ravalomanana (mba tsy ilazako hoe saika nitarika ry zareo). Nanana mpanentana na mpitarika olona matanjaka maromaro ry zareo amin'io faritra io. Ny faritra hafa amin'ny fokontany anefa dia mitovy amin'ny salanisam-baton'Antananarivo renivohitra ny salan'isan'ny roa tonta. Raha ireto mpanentana iray fokontany amiko ireto dia heveriko fa tsy hampandalo ao amiko mihitsy ny hanaovana fôtôkôpia tahaka ity amin'ny fokontany nolazaiko ity satria heveriny fa mety ho sahiko ny hamaky bantsila am-bava ny zavatra hitako. Tadidiko tsara fa nisy namboly korontana tao ivelan'ny biraom-pifidianana minitra iray monja talohan'ny fanisam-bato saingy efa voafehin'ny filohan'ny biraom-pifidianana mialoha ny zavatra azo natao sy tsy azo natao mandritra ny fanisam-bato ka dia tsy nisy ny fikorontanana tanaty birao na dia nifanaritaka aza ny tao ivelany tao.

Fa inona moa no antony nanoratako izany zavatra lava dia lava izany?

Amin'izao fotoana izao dia nahazo tosika fameno dimy alina ariary (50.000Ar) mandritra ny dimy volana avokoa tsy nisy adino ireo olona nandefa ny fôtôkôpian'ny karapanondrony tao amin'ilay fokontany notantaraiko. Dia nolazain'ilay nitantara ihany koa fa tsy misy misitraka na iray aza ny avy amin'ny fokontany misy anay satria Ravalomanana no nandresy taty aminay. Izany hoe raha toa ka nisy (tsy fantatro na nisy na tsy nisy) ny fomba fiasa mitovy tamin'ny nataon'ity fokontany ity tamin'ny fokontany nisy anay dia tsy mahazo na inona na inona ry zareo satria resy teto amin'ny fokontany misy anay (tsy hay ihany koa ny kaominina!) ry zareo.

Dia lasa ny saiko, ary raha toy izany avokoa moa amin'ireo faritra sy fokontany rehetra eto Madagasikara ny zavatra mitranga dia ahoana? Voararan'ny lalàna ve ny zavatra toa izany? Efa tsinjon'ny lalàna ve izany? Mariho mazava tsara fa tsy sisi-bola any ambadika no nanomezana vola ireo olona ireo fa ambara tsara hoe "tosika fameno" avy amin'ny fanjakana.

Ka raha izany no zavamisy sy tsikaritra dia hohelohina ve ireo nahazo tosika fameno ireo raha mbola handrotsa-bato ho an-dRajoelina amin'ny fifidianana ho avy? Nahazo vola avy amin'ny fanjakana ry zareo fa tsy hoe avy amin'ny Mapar, nahazo mivantana izy fa tsy hoe tombontsoa iraisan'ny besinimaro. Ho mora ve ny handresy lahatra olona nisitraka zavatra toy izao manerana an'i Madagasikara? Mazava amin'izao fa misy antony tsara matoa dradradradraina ho toy ny asa goavana ny fitokanana lalana iray tsy ampy roa kilaometatra vita tsara mba entina ilazana fa nahavita be teto amin'ny firenena izy ary nisy niditra ihany koa tany am-bilany.

Asa raha takatrareo ny tiako lazaina fa efa mipetrapetraka tsara ny lamina hampandresy azy indray amin'ny fifidianana manaraka fa anjaran'ny tsirairay ny mihevitra sy mikaroka fomba fampandresena hafa mifaninana amin'izany sady mahatonga ahy hanao ilay lohateny hoe: "tsy ho mora mihitsy ny handresy an-dRajoelina"

Mahay ny mpitondra, fa tsy amin'izay eritreretinao

2021-09-26 @ 21:03 in Ankapobeny

Matetika aho no te-hanitsy hatrany ao amin'ny media sosialy ao fa tsy vendrana mihitsy ny mpitondra amin'izao fotoana izao. Lazaina ho tsy mahalala ny laharam-pahamehana sy izay tokony atao alohan'ny zavatra iray izay ataony. Ho sasa-poana amin'izany anefa satria mety hiovaova ny olona iresahanao dia tsy hahare na hahavaky izay efa nolazainao na nosoratanao. Ny blaogy ihany no ahafahana mitahiry izay nosoratanao rehefa tsy foana ny mpitahiry votoaty.

Tena mahay mihitsy ry zareo, amin'ny fomba fakana vola sy ny lazaina ho fandaniana azy, saingy tsy izay lazaina anao na ilay werawera hakana ny fon'ny olona mbola hifidy azy amin'ny taona 2023 na dia ho valim-pifidianana efa vita pasoka aza no tena tanjona. Asaina misaritaka sy mifanantsam-bava ny olona fa ihomehezany fotsiny izany satria tsy hahitana izay tena katsahiny. Rehefa tsy voakitika sy tsy azo atao na inona na inona izay katsahiny dia tsy raharahany ianao. Iza no afaka manakana azy haka izay tiany halainy na dia ny vahoaka aza no hibaby ny trosa avy eo? Tsy ho atao lava intsony fa dia fehezina hoe tena mahay ny mpitondra, ary mahazo vola amin'ny fomba tsy ahafahanao manenjika azy mihitsy. Raha voasakanao ny tanany tsy haka izay tiany alaina no ho fahavalony ianao ary tsy ho afa-maina... fa tsy hisy hahasakana azy amin'izany.

Ataoko fa efa nanoratra mitovy amin'izao aho, fa tsy maninona izany. Fanamafisana!

Sioka telo manamarina sinema

2021-08-09 @ 21:11 in Ankapobeny

Raha ninia tsy niresaka Apollo 21 ny Filoha Mamim-bahoaka nandritra ny kabariny dia mety ho resy lahatra ihany aho fa tsy sinema ilay zava-nitranga. Fa satria noresahany ilay izy mba hilalaovana ny fihetseham-pon'ny mpihaino dia tohin'ilay "drama" tiana hampiesonana vahoaka ilay izy amiko.

Vao maika indray niampy ireo sioka telo... diso andro... satria mbola tsy nandeha akory ny fotoam-pitsarana dia efa dradradradraina ho fanonganam-panjakana. Tsy misy mpiresaka ny fankalazana ny faharoa taona ny RMDM hotontosaina ao amin'ny Magro Behoririka. Fa any ny saiko raha vao nahita ireo sioka teo aho. Hotontosaina rahampitso manko izany. Izaho manokana tsy mihevitra izany hahazo olona, noho izy ao anaty ora fiasana.

Fa tsy azoko ho'aho ireo antso ataon'ny filoha mamim-bahoaka ireo, vao maika mametraka hoe tena ao anaty krizy mihitsy koa ry zareo raha manao antso tahaka izany. Toa ireny hoe hisy ady hitranga ireny. Sa ve tohin'ilay lazain'ny gazety iray fa fandroahana tsy nisy hatak'andro ny mpanolo-tsaina voalohany amin'ny Kaonsilà Jeneralin'i Frantsa ilay izy?

Ireo sioka telo


1/3 Je condamne avec fermeté tous les agissements qui portent atteinte à la sureté de l’État et la tentative de coup d’État qui a été préparée depuis des mois à #Madagascar.
Notre pays a besoin de paix et de stabilité pour avancer et se développer.


2/3 J’appelle tous les Malagasy à faire preuve de solidarité et d’unité lorsque la souveraineté nationale est menacée.


3/3 Nous avons confiance dans notre justice. Les investigations sur ces faits graves sont en cours. Elles doivent se faire avec sérénité et en toute indépendance.

Izaho kosa raha manao antso, dia hoe ampitao mivantana amin'ny fahitalavitra sy ny radiom-panjakana TVM/RNM ny fotoam-pitsarana mha hahitan'ny olona ny fandehan'izany fitsarana izany ary mba hitandrina ihany koa ny mpitsara fa tsy hoe atao any amin'ny takona dia manao didim-pitsarana baikon'ny mpanatanteraka.Efa nampiharina teto Madagasikara ny toa izany tamin'ny Repoblika faharoa dia mba ilaina ampiharina hany koa.

Fa inona marina no tadiavin'ny ao amin'ny famorian-ketra ao?

2021-08-06 @ 21:49 in Ankapobeny

Nalaza tao amin'ny tambajotra sosialy ny fampitandremana fa mety hampigadra hatramin'ny roa taona ny fanaovana varotra anjotra. Tsy mino izany filazana lazaina fa avy amin'ny tale jeneralin'ny hetra izany aho. Angamba ny marina kokoa dia hoe tokony handoa hetra rehefa mivarotra entana. Fa dia lasa indray ny soratro momba ity famorian-ketra ity. Heveriko manokana fa misy zavatra tsy milamina amin'ity sehatra iray ity.

Tokony hampieritreritra ny ao amin'ny famorian-ketra ny hoe maninona rehefa manao fanentanana midina ifotony amin'ny fampidirana ireo tsy mpandoa hetra mba ho mpandoa hetra no ilaharam-be sy mameno kianja ny olona fa maninona rehefa amin'ilay telovolana voalohany amin'ny taona iny amin'izay no tsy hita avokoa ny ankamaroan'ireo olona nokendrena hampidirina.

Nahoana indray etsy ankilan'izany dradradradraina ho zara raha folo isanjato ny "pression fiscale" eto Madagasikara? Tsy midika ve izany fa tsy zakan'ny olona ny hetra teneninareo fa tsy raharahanareo izay fitarainan'ny olona. Nahoana no mahazaka olona an'aliny amin'ny fanentanana sy ny vola kely 16.000 ariary fa ahiako tsy mahazo zato rehefa manomboka amin'ilay 150.000 ariary amin'ny "impots synthetiques (IS)". Moa ve tsy midika izany fa ny politika fampidiran-kevitra mihitsy no tsy mety eto Madagasikara? Toa iniana atao izay tsy hampazoto ny olona amin'ny sehatra ara-dalàna?

Tsy mbola nisy namaly teto mihitsy ny avy amin'ny solontenan'ny mpamory hetra hoe raha maka ohatra amin'ny varotra fahana amin'ny finday aho, efajato ariary ny tombony omen'ireo mpanome tolotra antso goavana eto Madagasikara ho an'ny mpaninjara azy mividy iray alina ariary, nefa ny IS mampametraka fa amin'ny varotra zavatra mitentina iray alina ariary dia dimanjato ariary no alain'ny fanjakana? Nahoana no terena handainga izay mivarotra "crédits" raha mbola te-hivarotra izany izy?

Sao mila amboarina ity politikam-pamorianketra ity fa mampandositra ny olona tsy ho ao amin'ny ara-dalàna satria feran'ny orinasa goavana ny vidin'entany nefa ataony latsaka ny dimy isanjato (ny an'ny crédits) ny tombony ho an'ny mpaninjara? Aleo ve avela handositra ireo tokony handoa hetra aman'aliny (fa tsy hoe iray alina monja) fa ny zato azo avy ao no atao mangana raha te-hahazo vola ny fanjakana? Amin'izay mbola mampieritreritra fa toa tsy miverina araka ny tokony ho izy amin'izay mpandoa hetra ny tamberin'izany avy eo. Toa ratsy hatrany ny lalana? toa tsy olona no iheveran'ny mpiasam-panjakana ireo olon-tsotra amin'ny kitakita mahazo azy? toa tsy mandeha amin'izay laoniny mihitsy ny fiainana ankapobeny eto Madagasikara e?

Ohatra iray faran'izay vendrana no apetrako eto, mba tsy ilazana hoe tsotra ilay vendrana lazaiko. Raha nahazo olona iray alina monja (fa tsy miteny aho hoe roa na telo alina na dia mihoatra be aza no nanao izany tanatin'ny roa taona) ilay fidinana ifotony faramparan'ny taona ka mandoa 16.000 ariary ireo dia mahazo 160.000.000 ariary izany ny famorian-ketra. Nefa avy eo zato ny olona azo manohy amin'ny telovolana voalohany dia raisina ilay 150.000 ariary raha manao sehatra liberaly dia ny totalin'izany avy eo 15.000.000 ariary izany hoe tsy ampy ampahafolon'ny tamin'ny fanentanana volana vitsivitsy teo aloha. Raha mitohy anefa io avy eo lasa any amin'ny 600.000 ariary na lasa an-tapitrisany mihitsy no aloan'ilay olona amin'ny taona manaraka... famonoana azy ny dikan'izany ho an'ilay olona, indrindra rehefa tsy misy ny tamberina ho azy avy amin'ny fanjakana. Aza atao mahagaga ihany koa avy eo raha folo isanjato ny "pression fiscale"

Ilay zava-tsy nisy niteraka zavatra maro

2021-07-27 @ 23:03 in Ankapobeny

Raha ny sitrapoko dia tsy ho nanoratra mihitsy momba ity "non événement" eto Madagasikara ity aho satria be loatra ny petatoko amin'ilay lazaiko sahady ho sarimihetsika mba hanetsehana ny fientanampon'ny olona tao anatin'ny herinandro nisasahan'ny fehim-potoana iasan'ny filoha ankehitriny. Sarimihetsika natao hanadinoana ireo zava-tsy mahomby hafa maro.

Vitany aloha ny nampanadino tanteraka ny raharaha volamena 73.5 kg tamin'ny fiandohan'ny taona. Vitany ny nanadinoana ihany koa ilay fihinanan'ny olona tany atsimo hoditr'omby ho fanadinoana ny hanoanany. Vitany ihany koa ny nanakona ny fiakaran'ny zavatra iainana andavanandro toy ny sakafo izay efa ho avo roa heny noho ny teo aloha. Lasa tsy toy ny maresaka ihany koa ny fiakaran'ny fitaovana sy ny kojakoja amin'ny fanorenan-trano. Tsy misy mahalala intsony ny kitoatoa tamin'ny fananganana "sekoly manara-penitra" tsy vita herintaona akory dia efa mitete rehefa avy ny orana, ny varavarankely dia tena kely tokoa tsy sahaza ny toetany tany amin'ny faritra nanorenana azy. Saika vitany hatramin'ny lahatsoratra bilaogy saika ho soratako sy ho avoakako kanjo nisy ity zava-tsy nisy ity tampoka. Hosoratako eto koa io zavatra saika adino io.

Tamin'ny voalohany, noheverina ho fakana an-keriny no nisy, hay fisamborana avy amin'ny manampahefana ho amin'izany. Nivoaka ny antony isamborana ireo olona roa: saika hamono ny filoha. Zavatra nisy nolazain'ny tao amin'ny Tambajotra Sosialy: Fa toa nipetraka akaiky ny filoha anie ny iray amin'ireo olona ireo tamin'ny 26 jona dia tsy nanao ilay "action" ve? Nosamborina ihany koa ny vadin'ireo olona voarohirohy ireo. Fihevitro adaladala: nisy nandray anjara mavitrika angamba ny vadin'ny sasany tamin'ireny taona 2009 ireny.

Niditra tamin'ny dingana manaraka, toa nisy mpitrandraka solika eto Madagasikara nandray anjara amin'izany fikonokononana hifofo ny ain'ny Filoha izany. Notondroina avy eo ny Madagascar Oil fa (anisan'ny) namatsy ilay tetika izay manana tetibola 5 tapitrisa dolara hanatontosana izany. Ny vola tratra tany amin'i Paul Rafanoharana toa atsasaky ny miliara ariary latsaka? Lazaina fa misy fitaovam-piadiana mahery vaika enti-miady tratra, efa fiadiana entina mihaza no napoitra ho hitan'ny mpijery. Tsoriko fa tsy nijery vaovao tamin'ny fahitalavitra mihitsy momba azy ity aho afa-tsy ilay antsafa nataon'i Patrick Rajoelina tao amin'ny TV5Monde.

Nilaza ho naharay mailaka avy amin'i Paul Rafanoharana tokoa ny Madagascar Oil voahoso-potaka satria misy mikendry ny tsenany ao, na voatohintohina ny tsenany amin'ny lafiny solika sy ny fifanarahana tamin'ny JIRAMA. Fa ilay mailaka fangatahana dia efatra andro taorian'ny nisamborana ilay voarohirohy no nalefa... izany hoe natao handetika ny mpandefa sy ny nandefasana izany. Nitsipaka tsy hanome vola ho amin'izany fifofoana ny ain'ny Filoha izany anefa ny Madagascar Oil... Tsy mbola nanome vola izy izany nefa ny nodradradradraina teo aloha toa...(avy amin'ny fanehoan-kevitra Tambajotra Sosialy no anarahako izany fa tsy vaovao fahitalavitra.)

Be ny nanao ho fihomehezana ny tantara ary anisany aho. Niova indray ny tantara androany (27 jolay). Nosamborina ny mpanentana sy Artista Sareraka, voalaza ihany koa fa nisy avy ao amin'ny GSIS (zandary niofana manokana amin'ny raharaha sarotra) nosamborina, Jeneraly roa ihany koa ka avy amin'ny zandary ny iray sady nolazaina fa efa Praiminisitra teo aloha. Dia lasa ny saiko hoe tsy ny Jeneraly Jean Ravelonarivo ve izany [Fa naninona no aty aoriana vao tononina ny anaran'i Victor Ramahatra? Lasa olonkafa no voatonona tsy fidiny, efa maro izany ny jeneraly manana laharam-boninahitra jeneraly an]sa tsy azo soratana moa ny anarany? Izy aloha no Jeneraly zandary sady efa praiminisitra fantatro fa tsy hihevitra aho hoe ny Jly Rakotoarijaona Désiré no mbola hiditra amin'izany politika izany.

Talohan'ity toe-javatra ity koa anefa efa nisy ireo lazaina ho mpiambina ny Filoha teo Aloha Hery Rajaonarimampianina voasambotra fa hoe nikonokonona hamono ny Jly Richard Ravalomanana sy minisitra hafa. Ny Praiminisitra teo aloha Ravelonarivo ihany koa eto Praiminisitra tamin'ny andron'ity filoha teo aloha ity.

Dia nahazo fampitandremana mafy ihany koa ny tao amin'ny tafika sao dia misy miadaladala ny hikomy eo.

Efa mihabetsaka no resy lahatra fa adin'ny samy... niara-nitolona tamin'ny 2009... ihany ity eto ity ary adin'ny samy mpanana noho ny politika sy fifandraisana akaiky tamin'ny mpitondra politika. Be ihany koa ny leo tanteraka amin'ity raharaha ity satria maharikoriko ny mihevitra azy sady maharikoriko ilay manavendrana ny vahoaka ao anatin'izany sy ny fanasana atidoha momba ity raharaha ity.

FA INONA ILAY RAHARAHA HAFA TAKONA VAO NISY ITY TOEJAVATRA ITY?

Vao feno fitarainana ny mpamily kamiao fa tena potika tanteraka ny RN2 mampitohy an'Antananarivo amin'i Toamasina. Nilaza ho tsy manambola amin'izany fanjakana. Nitokona ny mpamily tao Toamasina ary tamin'ny alalan'ny etona mandatsa-dranomaso mihitsy no nandravana izany hetsika izany. Nilaza ny hanao fanamboarana ihany ny fanjakana avy eo.

Inona no hitako ao anatin'izany?

Nihodina ny tantara. Rehefa vita ny Lalampirenena faharoa dia nihabetsaka ireo fiara nifamezivezy taminy. Talohan'ny fahavitany manko dia ny lalamby sy ny sidina fiaramanidina ihany no nahafahana nampitohy ireo tantara roa ireo. Tamin'izany fotoana izany, raha nangataka ny hampitomboana ny isan'ny zotra ny olontsotra dia nolazaina fa efa mandeha fatiantoka ny lalamby. Gaga tanteraka ny amin'izany ny olona.

Avy eo, niditra repoblika fahatelo isika. Gaga izay naharaka fa hoe natsahatra ny fifanarahana tamin'ny RNCFM (Lalamby) amin'ny fitaterana entana fa ny orinasa Sodiat indray no mitatitra ny solika ho eto an-drenivohitra. Tamin'io fotoana io no nahapotika tanteraka ny lalamby ka tsy nahatafarina azy mandraka androany.

Amin'izao fotoana izao, manana ampahambola (raha tsy hoe tompony) amin'ny Madarail nisolo ny RNCFM ny tompon'ny Sodiat (raha tsy ny Sodiat). Raha potika ny lalampirenena faharoa dia vahaolana hafa ny Madarail. Ho lasa ampihimamba indray ny fitaterana ny entana eo amin'ny tanàna anankiroa... tsy ampihimamban'ny fanjakana toy ny teo aloha fa ampihimamban'ny tsy miankina ka ho ataony amin'izay itiavany azy ny sara amin'izany. Vao lasa tamin'izany ny saiko kanefa tsy nety nanoratra izay tao an'eritreritro tamin'ity zavatra ity aho no nipoaka ilay zava-tsy nisy niteraka zavatra maro.


Ampiasaina atao inona ny TVM? [nampiana 29 jona]

2021-06-29 @ 01:16 in Ankapobeny

Televiziona Malagasy no resaka. Nanao fanambarana ny mpitarika tao amin'ny TVM isorohana amin'izay mety ho sanatriavina tsy fetezan-javatra (fampitana feo sy sary) na fahadisoana teknika mety hitranga.

Nisy valiny izany andro vitsy monja taty aoriana.

Saingy nampiasaina indray izy hanao zavatra hafa. Dia ho andrasantsika ny tohiny.

 

Ary dia namoaka fanambarana indray ny avy ao amin'ny TVM ny alatsinainy 29 jona 2021. Amin'ny teny frantsay avokoa moa izany ny fandehan'ny resaka. Dia tsy nadika fa ataoko fa hain'ny maro ny teny frantsay izay nanabeazana sy nampianarana ny maro tamintsika.

Misy raha ao matoa lasa miitatra toy izao ity raharaha ity. Samy miandry isika hoe inona izay.

 

Voajoko ny ramatahoran'ny mpijoko?

2021-06-09 @ 21:32 in Ankapobeny

Dia mitohy hatrany ny tantarantsika [video]. Eo amin'ny politika tsy misy izany kisendrasendra izany. Henjana ny katro-doha amin'ny fanaovana fanorona ary ao anatin'ny fanorona politika tsara ny toe-javatra tahaka itony.



Aza terena aho hino fa kisendrasendra izany fiaran'ny ambasadaoron'ny Soisa tao aorian'ny fiaran-dRavalomanana izany. Tsy nahomby indray ve ilay "fampitandremana farany" amin'ilay hafatra "subliminal"? Naninona no noesorina ireo zandary natao fampitahorana teo amin'ny vavahadin'ny Filoha teo aloha?

Hitifitra, hono, ry zareo? Mahaiza mandray hafatra!

2021-06-08 @ 14:14 in Ankapobeny

Raha nijery ity pejy Facebook iray ity aho dia nahatsikaritra fa amin'ny teny malagasy no mahazatra azy. Niova kely teto amin'ity lahatsoratra iray ity.



Tsy izay ihany fa efa nanana fanazavana amin'ny teny malagasy ihany koa io lahatsoratra io. Raha ny tena marina izany dia tokony ho tafapaka tsara ny hafatra satria tokony ho mora azo izany fanazavana izany.



Fanamarihana faharoa, ny ampitson'ny nanoratana ny teny malagasy no namoahana ny teny frantsay. Izany hoe mety hisy any fampitandremana ambadika mety tsy voarain'ny olona tsara ka hamafisina dia samy mahazo daholo na Malagasy na vahiny. Inona ary ilay tena tiana hampitaina?

Tany amin'ny fiofanana tamin'ny taranja hafa dia hafa tany no nandraisana izao hafatra izao. Raha te-hahazo hafatra miafina tiana hampitaina amin'ny lahatsoratra na fanadihadiana iray dia ny fanontaniana na fehezanteny telo na roa farany avy hatrany no jerena na vakiana.

Tsy haiko ianareo fa ny hitako dia hoe: "Afaka mampiasa ny fitaovam-piadiana eo ampelatanany ny zandary... La Gendarmerie Nationale prévoit le droit d'usage des armes..."
"Natao izao mba fampianarana farany sy ho fampitandremana... Ce communiqué est fait à titre de dernier rappel et d’avertissement."

Raha maimaika mamaky io fehezanteny farany io dia lasa mahavaky hoe "dernier avertissement" na dia tsy manondro izany aza ny lahatsoratra, ary mampahatsiahy tampoka ilay indray 7 febroary 2009 izay manao hoe "hitifitra, hono, ry zareo!"


Fanambaran'ny mpanao gazety nahaisotra mpiasam-panjakana ambony ve?

2021-06-02 @ 21:52 in Ankapobeny

Olana iray manokana eto Madagasikara ny famehezana ny olona tsy hamoaka zava-tsy mety ataon'ny mpitandro ny filaminana indrindra eo amin'ny lazaina ho eo am-panaovana ny asany. Tranga iray ny teny Itaosy tamin'ny asabotsy raha hita nikirazorazo ambony hazo ny paty natsipitsipy.


Misy ny holafitra ary misy ny sendika, tsy mifanitsaka ve ny asan'ireo fikambanana ireo?

Ny vaovao hafa malaza moa dia ny fiovan'ny talen'ny seraseran'ny prezidansa. Lasa vehivavy misolo vehivavy moa ilay izy raha voamarina ny hisolo azy.

Fampitam-baovaon'ny biraon'ny Praiminisitra

2021-05-31 @ 21:10 in Ankapobeny

Misy zavatra mikorontana, misy zavatra tsy milamina ve any amin'ny fitantanana sa ny vahoaka mihitsy no tiana lalaovina? Rehefa nakorontana sy natao ho sosotra ny toerana vitsivitsy dia tonga amin'izay ny fialan-tsiny sy fialana bala nanomboka tany amin'ny Prefen'Antananarivo ka hatramin'ity fampitam-baovaon'ny biraon'ny Praiminisitra tamin'ny 30 mey ity. Izany hoe talohakelin'ny kabarin'ny Filoham-pirenena.

Tsy mampino: noraràna tokoa ny mivarotra hanina hilaofana

2021-05-29 @ 15:44 in Ankapobeny

Efa resaka tao amin'ny tambajotra sosialy ilay na ireo taratasy fandraràna fa tsy mahazo mivarotra ireo legioma, hena, anana sns ny mpivarotra izany. Efa nivoaka mihitsy aza ireo mpikarama anjotra fa diso sy fitaka entina handrangitana vahoaka ireny taratasy ireny.

Tonga ny andro androany, nihatra tany amin'ny faritra sasany tokoa ilay fandraràna, ary misy aza ireo mpitandro ny filaminana tena nafana fo tamin'ny asa nampanaovina azy.

Ny tany Andranonahoatra Itaosy(-Unis) no nalaza indrindra sy lasa nahavoriana olona indrindra. Anarany fotsiny sisa ilay hoe fihibohana fa tsy hitako izay dikany.



Rakitra ny baiko hialàn'ny olona, efa nisy ny nanokona entana teny an-tsena no noroahina. Nisy ihany ny naneho fitarainana tamin'ireo mpitandro ny filaminana fa dia tena amin'ilay fiteny mampalahelo fa tsy mitroatra velively.



Na nisy aza ilay fahatezerana dia mampihomehy ihany ilay fihetsiky ny olona. Mba tezitra fa mampalahelo mampihomehy valaka ny zavatra ataony. Tsontsa loatra ve fa tenenina hoe miala teo dia miala tokoa. Mbola tsy tezitra matoa niala, sa izay tokoa ilay fahendrena?



Mariho tsara fa tsy nitondra ireo fitaovana toy ny ampinga na kibay mihitsy ny polisy fa ilay tsefotra mandatsa-dranomaso hita tamin'ny fahitalavitra iray iny ihany.



Misy sary iray mety tsy ho azontsika io toa hoe sary ratsy fitifitra (eo ambany) io, jereo tsara eny amin'ny hazo fa hahita paty mikirazorazo ianareo. Noho ny hafanam-pon'ny polisy be loatra io.



Tsy navoakako kosa ny sarin'ireo hanina niparitaka tamin'ny arabe satria mety hifangaro amin'ny hoe fako ihany ka hanahirana ny mandika azy. Fanariana ny hasin'ny sakafo rahateo ihany koa izany.



Mariho ary fa tsy misy ahy ny sary na dia iray aza fa dia angona fotsiny no ataoko ho fampahatsiahivana. Mariho ihany koa fa nisy ireo mpanao gazety nitaraina fa noteren'ny polisy hofafana ny sary azony satria tsy azo alaina sary ny polisy manao ny asany.
 

 

Pergola: sary tsiaro sy ankehitriny

2021-05-28 @ 20:44 in Ankapobeny

Toerana iray ao Antananarivo ao ny Pergola. Naorina tamin'ny andron'ny Fanjanahantany, dia nampiana tsangambaton-dRabobalahy taty aoriana.


Dia nisy ny fandokona nataon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ho laoranjy avy eo. Fa lokombato io tamin'ny voalohany tany?

 

 

 

[nampiana] Teny midina noho ny fahatezerana?

2021-05-27 @ 22:14 in Ankapobeny

Nisy filoham-pirenena taloha izany nandalo ny tsenan'Ambohidahy dia misy ny mihevitra fa setrin'izany fandalovana izany ity taratasy iray ity.

Fa lasa aiza ny sonia?

Loharano hafa indray ity manaraka ity

Fa inona moa izany no ivoaha miantsena raha mikatona ireo?

 

Tany lasan'ny vahiny na misoratra aminao aza: tena misy ve?

2021-05-24 @ 12:27 in Ankapobeny

Voalohany aloha dia mampiahiahy ity filazana ity. Nahoana no tsy asiana fitomboka sy sonian'ny prezidan'ny fokontany raha tena marina? Faharoa, amin'izao fotoana mampamaivay ny toe-draharaha amin'ny resaka Karana izao ve no mbola misy tahaka itony tsy fandranitana ady no tena marina? Fahatelo, aleo apetraka eto ho tahiry fa ilay toerana koa moa tsy fantatro hoe aiza marina satria fokontany ilay Ankazobe sy Ambohidrazaka.



Etsy ankilany indray, ny zava-nisy teo aloha dia toa mametraka fa mety ho misy tokoa io toe-javatra iray io. Ny mampalahelo dia ny tompony indray no tsy maintsy mandadilady amin'ilay nandrombaka ny tany raha ny eto. Hatramin'izay dia tany manan-tompo fa tsy misoratra amin'ny anaran'izay mipetraka eo no tratran'ny fandraofan'ny mpanankarena ny tany. Na tiana amidy na tsy tiana amidy ny tany ny dikan'izao dia hoe izay vidiny ataonao fa alainay (efa lasanay) foana ny tany, resy ianao raha mihevitra ny hitondra ny raharaha eny amin'ny Fitsarana. Ilay tany Ambohitrimanjaka ampitan'ny artisanat no ao an-tsaiko. Nanana ny lazany koa io tany ampitan'ny Masiovoho shinoa io, dia lasan'ny Filatex ihany koa, efa nisy afisy goavana teo misy soratra hoe "Casa" kanjo dia io nanaovana ampahan-dalana goavana mankany Nanisana anilan'ny Rocade Est io.

Manahy indray aho, fa mety ho ampiasain'ny Fanjakana indray ity tany ity, efa misy ny ny tetikasa sy tetibola ividianana ny tany dia bizina toy izay nitranga tamin'ilay tany etsy ampitan'ny Masoivohon'i Shina koa ity eto ity. Fa tombatombana daholo izany rehetra izany fa tsy afa-miteny mihitsy hoe izay no tena marina.


Taratasy filazana vidin-davanila sy Karapokontany misy dokambarotra

2021-05-19 @ 21:38 in Ankapobeny

Misy ny manoratra fa mandroso mihemotra ny mpitondra. Natahotra tamin'ny fihetsiky ny olona tamin'ny nivoahan'ny hanaovana ny vidin-davanila.

Ny minisitra tompon'andraikitra roa tonta ihany no nanao ny sonian'ireo taratasy roa ireo.

Etsy ankilany indray, nisy dokambarotra ny kara-pokontany navoakan'ity pejy iray ity.

Eritrereto hoe ny kara-panondronao na ny pasipaoronao no nasiana dokambarotra tahaka izao.

Dia mba fanampiny sy ankamantatra ho anareo koa hoe iza daholo moa ny orinasa nametraka ny dokambarotra?

Izay fa tsy asiantsika resaka lavabe.

 

Inona no tanjon'ny fanokafan'ny FJKM ny fiangonany?

2021-05-16 @ 01:26 in Ankapobeny

Tampotampoka ihany ny fivoahan'ny taratasy avy amin'ny Biraon'ny Mpiandraikitra Foibe, ny ampitson'ny fahatsiarovana ny andro niakaran'i Jesoa ho any an-danitra. Tsy mahalala izay any ambadiky ny lambam-baravarana isika fa dia ny taratasy niely haingana dia haingana no hita amin'ny tambajotra sosialy. Tsikaritra ny soratra manao hoe "Manamafy fa sokafana". Nahoana? Misy ihany any karazam-pamorian'olona misokatra, misy aza ny efa an'arivony fa odiana tsy hita. Misy ny fikambanan'olona (sy fivavahana) mankalaza fety fa odiana fanina. Koa raha "misokatra" ny hafa, maninona no atao takotakona? Te-hanondro izay nanapa-kevitra fa hitany daholo ireny ka hanapa-kevitra ry zareo.



Mety hisy ny hihevitra hoe efa nisy fifanarahana tany ambadika tany matoa nanao izany ry zareo. Dia namaly tokoa aloha ny tao amin'ny Faritra Analamanga fa mbola mikatona ny Fiangonana. Koa inona moa izany fa raha ny fijeriko dia fihantsiana izao ataon'ny FJKM izao. Aleo koa tsy miolakolaka.



Ary tsy re tsara angamba matoa nanterina ilay hafatra.

Ny Teratany Malagasy no ho Palestiniana an'i Madagasikara atsy ho atsy

2021-05-14 @ 00:30 in Ankapobeny

Any Jerosalema atsinanana, tany (trano) notondroin'ny Firenena Mikambana sy nomen'ny Fanjakana Jordaniana ho an'ny Palestiniana no tian'ny voanjo israeliana alaina satria tsy nomen'ny fanjakana jordaniana taratasy maha-tompon'ny trano (tany) ireo palestiniana ireo tamin'ny nametrahana azy teo tamin'ny taona 1948. Fantatry ny voanjo ny lesoka dia iny no nohararaotina hakan-dry zareo amin'ny alalan'ny fikambanana ny tany onenan'ireo Palestiniana ireo. Amin'ny rariny efa tokony ho an'ny Palestiniana ny tany fa rehefa eny amin'ny Fitsarana dia lasan'ny voanjo israeliana ny tany.



Eto Madagasikara, tany midadasika eto amin'ny fokontany ipetrahako no lasan'ny Karana iray fanta-daza eto an-drenivohitra. Fa na dia niady mafy hahazo ny tany ampolony taona maro aza ny namboly dia tsy azony mihitsy io tany io fa dia ilay Karana no nahazo azy. Nasaina naka "onitra" tany amin'ny Kaominina noho ny fanesorana ny vokatra teo amin'ny tany ireo olona ka tsy mahazo mikasikasika intsony ny tany.

Nisy adin-tany naharitra fotoana maro koa teo amin'ny mpandova ny tany eny Antanandrano (Kaominina Ankadikely Ilafy) sy ny Karana iray hafa manan-daza eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny orinasa malaza misy azy. Na dia manana ny porofo rehetra maha-tompon'ny tany aza ireo mpandova dia mitady ny fomba rehetra hahazoana ny tany ilay orinasa iafenan'ilay Karana tompon'ilay orinasa. Toa eo ampelatanan'io Karana io daholo na ny Fitsarana, ny Mpitandro ny filaminana, ny sampan-draharahan'ny fananantany... ka lasa manana taratasy maha-tompon'ny tany koa izy.

Dia lasan'ny Karana iray, tamin'ny alalan'ny fitsarana tsy natrehin'ireo very tany tsi-fidiny koa ny tany R5+1 eny 67ha Atsimo, efa nisy adim-pitsarana io teo aloha fa nandresy ny Malagasy teratany tamin'izay. Fa satria moa matory miesona Ra-Malagasy dia mety ho lasan'ilay Karana ho azy io tany io rehefa tsy misy olobe hiara-dalana amin'ny mponina eny.

Fehiny, ho lasa Palestiniana very tany sy very zo isika Malagasy rehefa miesona amin'ny fanjakazakan'andian'olombitsy tahaka izao. Manahy aho fa ny teratany indray no ho very zom-pirenena tsy ho antsoina intsony hoe Malagasy... Ary ny tena hain'ireo mihitsy ny mampiasa ny kolikoly any amin'ireo seha-panjakana ambony hahapotika ny sisa zontsika.

Ny malaza Facebook androany: tsena mitovy loko

2021-05-12 @ 17:26 in Ankapobeny

Ho ezaka fanatsarana ny tanànan'Andoharanofotsy dia atao mitovy loko avokoa ny tsena rehetra manamorona ny lalam-pirenena fahafito. Andeha atao hoe mbola azo leferina ihany izany... na dia hafahafa aza. Fa niantsambotra amin'izay rehefa mahita hoe inona avy ny loko ampiasaina sy ny hoe aiza ihany no mividy izany: loko matroka sy loko politika ary toeram-pivarotana roa ihany no ividianana azy. Ny hafetsena tao anatiny: ny lefitra faharoa an'ny Ben'ny tanàna no nanasonia ny filazana.

 

Nahoana no tsy mahay mihiboka?

2021-05-09 @ 07:41 in Ankapobeny

Matetika no tsy takatry ny saranga antonony sy ny saranga ambony ny mahatonga ny olona, matetika ao amin'ny saranga ambany na mahantra sy fadiranovana, tsy mety mihiboka sady tsy hahay izany mihitsy?

Mety ho tezitra isika rehefa tsy mety manao izany ny hafa, satria heverintsika fa toy ny tsy misaina izy ireny, misy aza moa ny sasany lasa mahateny indray ny voambolana "andevo" izay efa tsy mendrika ny taonjato faha-21 intsony. Mihevitra isika fa be kiry amin'ny tsy antony ireny olona ireny, ary manao hadalana sady lasa mpitondra aretina ho afindra amin'ny hafa rahateo. Ny hany avaliko ny olona sy ny fitondram-panjakana dia izao: tsidiho ny tranon'ireny olona ireny, dia hevero amin'izay hoe ho tamana ve ny olona hipetraka ao amin'ny tranony?

Hevero hoe efitra iray no misy ny fatoriana sy ny fihinanan-kanina ary fandraisam-bahiny dia ny faharoa no misy ny fanokonan-kanina sy fitoeran'ireo kojakoja isan-karazany mbamin'ny fitafiana... raha manana efitra roa ry zareo? Dia vinanio hoe aiza ny fitoeran-kanina? Fa matetika ireny olona ireny efitra iray ihany dia ao daholo no asiana ny zava-drehetra, ary maromaro ny olona miara-mipetraka ao nefa ilay efitra kely velarana mety ho 10 metatra toradroa aza raha be indrindra. Ny maro amin'ireo olona ireo dia ny toerana fatoriana sy ny fahandroan-kanina ihany no tsy maintsy misy fa ny ankoatra izay efa "toy ny haitraitra".

Fehiny voalohany, natao hatoriana sy ialofana ihany ny trano fa any ivelan'ny trano no manao ny zavatra hafa rehetra... Fonja kely tsy isaziana ny tranon'ny ankamaroan'ny olona ary tsy misy zavatra azo atao loatra ao anatin'izany trano izany ka dia tsy ho tamana amin'ny fitoerana an-trano ny olona, hifampila vaniny ao ny iray trano rehefa miara-mirindrina tsy afa-mivoaka ao. Tsy manana aterineto, tsy manana fahitalavitra ary mety tsy hanana akory na dia radio aza ireny olona ireny. Honohono no iainany fa tsy mahafantatra ny tena zavamisy ry zareo ka tsy ho fantany mihitsy izany valanaretina sy Covid-19 izany na dia mety ho reny aza.

Manaraka izany, tsy haharaka na oviana na oviana amin'izay vola eo am-pelatanana ny fitsaboana fa izay takany ihany no ataony. Tsy hisy hiraharaha loatra izy ireny rehefa marary, indrindra moa rehefa ny vola takiana aminy no mitsena azy voalohany, ka any amin'izay azony atonina sisa no ihazakazahany. Ivelan'ny rafitra ara-dalàna hatrany anefa matetika ireny olona atoniny ireny. Koa hihiboka ve izy? tsy hisy mpahita na ho faty noana aza... tsy hihiboka? mahatezitra ny hafa mitandro ny fahasalamany.

Noho izany, tsy hahazaka ny fihibohana ry zareo na hisy na tsy hisy fanampiana avy amin'ny hafa satria ny toerana sy ny fonenana misy azy ireo mihitsy no tsy misy fanajana ny maha-olona sady tsy ho ahafahana manatanteraka ny "tsy fifampikasohana" (geste barrière). Tsy tokony ho maika tahaka ny sasany milaza fa natosiky ny mpanohitra sns ny zava-nitranga tany Antsirabe. Zavatra kely monja (mihidy amin'ny roa ora... mampihena ny ora fitadiavam-bola sy mampisy bebe kokoa ny fifampikasohana eny an-tsena noho ny fahateren'ny fotoana) dia mampipoaka ny fiaraha-monina raha atao be loatra ny teritery. Na izany na tsy izany, mila mitandrina hatrany ny rehetra fa mafy ny famelin'ny aretina rehefa kely ny herintsaina, herintsaina ananan'ireny olona heverina ho fadiranovana ireny be dia be.

Nihemotra tamin'ny fanapahan-keviny ny governoran'i Vakinankaratra

2021-05-08 @ 05:17 in Ankapobeny

Vao tsy ela akory izay no namerina amin'ny laoniny ireo fandaharana politika rehetra ny mpitondra fanjakana. Notapahana manko fa haato ireo fandaharana malaza amin'izany. Nitroatra nanao fanambarana ireo firaisamonim-pirenena na ny teto an-toerana na ny iraisampirenena. Nanao fangatahana ny enina tamin'ireo haino vaky jery tratran'ny fampiatoana ny fandaharana tao aminy. Nilaza ny minisitry ny serasera, sady mpiahy ny Faritra Vakinankaratra fa afa-manao ny fandaharana indray ireo HVJ ireo rehefa manome antoka fa tsy hanakorontana ny filaminan'ny firenena. Dia nitohy indray ny fahamehana ara-pahasalamana eto amin'ny Firenena.

Mbola nisy ihany koa ireo mpanapa-kevitra no niverina tamin'ny zavatra notapahiny. Tantaraina an-tsary anareo ny toe-javatra nahatonga izany. Ampahatsiahivina fa vao nosokafana ny CTC na Centre de Traitement de Covid tao Antsirabe.

Etsy ankilany, nisy ny fanapahan-kevitra navoakan'ny Faritra tao Vakinankaratra

Nisy ny setriny avy amin'ny andian'olona.

Namoaka fanambarana indray ny Fiadidiana ny Faritra.

Mafy loatra ve ny fepetra ka nampitroatra ny olona? Misy fanehoana ve ao ambadika fa tsy ankasitrahan'ny vahoaka intsony ny mpitondra fanjakana? Samy fanontaniana avokoa ireo ao anatin'ireo toe-javatra nitranga ireo. Niniana ny tsy nametrahana ny hevitry ny olona.

 

 

Rakitry ny mbola fampidirana olona eto Madagasikara nefa lazaina ho tsy hampiditra intsony

2021-04-26 @ 19:11 in Ankapobeny

Ny fitsapana kely omaly alahady, tao amin'ny Facebook:

Rehefa naneho ny hatezerany tao amin'ny Facebook ny olona noho ny fahitana fa mbola nampiditra olona ihany hay ny fanjakana, dia lasa indray ny fanazavana avy amin'ny mpiandraikitra ny serasera prezidansa ihany:

 

Fa inona no nahazo ny mpitarika Miara-manonja?

2021-02-20 @ 20:50 in Ankapobeny

Hagagana ny ahy raha tsy nahita mpitarika miara-manonja teny an-kianja tamin'ity fotoana lehibe nomen-dry zareo androany 20 febroary 2021 ity. Mpanaraka politika sy mankafy io taranja io aho na dia haratsiana tahaka ny inona aza izy io, satria izay no nanalehibe ahy fa fihetsika iray itiavako ny tanindrazako izany.

Nisy ve ny zavatra tsy nampoizin-dry zareo tamin'ny fihetsiky ny mpitondra sy ny mpanaraka sa tsy "intelligent" araka ny averimberin-dry zareo tampoka ry zareo, sa nisy fifandraisan-tendro hamadihana ny "tolona" tao?

Fanazavana nataon-dry zareo tamin'ireny hoe fitsangatsanganana ireny, raha mbola natao ankamantatra ny toerana, ny hoe inona no mahamaika amin'ny toerana andehanana raha tsy fantatra akory ny toerana iaingana?

Fa nahavariana kosa tamin'ity androany ity, nolazaina ny toerana handehanana fa tsy fantatra ny toerana iaingana... Nahoana? Satria ve afovoan-tanàna no kendrena handehanana? Nefa ny zavatra tahaka izao indrindra no tena ilàna izany. Tadidiko indrindra ny tolona 1991, Fivoriana isaky ny Asabotsy teny amin'ny Coum 67ha mialoha ny hidinana an-dalambe. Ny fotoananay Firaisana voalohany dia teny amin'ny Lycée Moderne Ampefiloha no nizotra ho eny amin'ny kianjan'ny 13 mey.Fa androany taiza moa izany? Ny MFM no nanana olona ho mpitarika tamin'izany tolona izany...

Raha izaho ilay mpitarika dia toerana enina raha kely indrindra no natao fiaingana, ary nezahana hanakaiky araka izay azo natao io kianjan'ny 13 mey io izany, fa ny tena mety dia toerana 12.

Andeha omena ny fisalasalana ary fa tsy homelohina befahatany ny mpitarika tamin'ny fahadisoana bevava nataony. Andeha atao hoe notarafina daholo ny fepetra noraisin'ny antokon-tafika malagasy hiatrana manoloana ny miara-manonja. Hita tsara hoe taiza sy taiza avy ny toerana nofehezin'ireo mpitandro ny filaminana ireo.

Saingy hatramin'ny fotoana nanoratana dia taratasy fanambarana sy fanamelohana izay nitranga androany ary fandrisihana ny olona tsy hihemotra no hany nataon'ny mpitarika ary tsy nisy re feo intsony taorian'izany. Mila anareo ho lohalaharana ireo olona ireo, mila anareo manao sorona ny tenanareo manaiky hosamborina na tsara aro ireo olona ireo fa tsy navela hiraviravy tanana fotsiny.

Ny hita: nandresy ny mpitandro ny filaminana androany, nandresy tsy nisy na dia baomba mandatsa-dranomaso iray monja aza, fa afaka nanao sambo-dokotra ireo olona efa lehibe mitolona ho an'ny zanany sy ny taranany fa tsy ho an'ny tenany intsony. Mangina tanteraka kosa ireo lazaina ho mpitari-tolona ary indrisy... tsy diso tamin'ny ahiahiko aho.

Inona ilay ahiahy? Nahoana ianareo no lasa miteny hoe tsy izahay intsony no hanao tatitra fa ireo vahoaka ireo tamin'ny fotoana manokana omaly... maniraka ny olona handeha fa ianareo kosa miafina any amin'izay misy anareo? Tsy mahasahy miatrika ny antso nataon'ny CIRGN nefa tokony ho isa tombony ho anareo ireny. Raha nanatona ny CIRGN ireo efa nahazo fiantsoana ny Alakamisy teo ka notazonin'ny zandary dia nanana fahavononana kokoa ny olona, saingy toy ny alikakely mpandrisika fotsiny ianareo dia nandiso fanantenana ireo saika ho vonona ihany hilalao ilay fanorona politika malagasy tsy mahalala afa-tsy ny kianjan'ny 13 mey.


Famantarana eny an-danitra

2021-01-29 @ 20:53 in Ankapobeny

Satria tia mamoaka zavatra tsy fahita mahazatra ny Malagasy dia voky an'izay indray ny olona teto Antananarivo sy ny manodidina omaly sy ny androany.

Omaly: hody niaraka tamin'ny zanaka iray, tratran'ny tsitapitapin'orana izahay teny an-dalana, tokony ho tamin'ny efatra ora sy sasany hariva tany ho any. Gaga izahay mianaka sady nihomehy satria mitaratra ny masoandro ary manga sy mipentina fotsy maivana dia maivana ny lanitra itataovanay. Lavidavitra ihany tsy tokony hahatratra anay ny rahona mainty sy mavesatra. Teo aho dia efa nilaza tamiko ihany hoe hosoratako ity tranga ity na dia ho ahy ihany aza satria sarotra inoana ilay zava-niainana.

(Sary indrana nalaina tao amin'ny Facebook)

Androany: Gaga ny maro nahita ilay rahona toa mazava dia mazava tao atsimon'Antananarivo tao ary nandefa ny sary tao amin'ny tambajotran-tserasera. Nisinisy ireo nahita, ny fijery azy dia tambonin'ny rahona mainty sy mavesatra no nahitana io rahona izay misy milaza fa avana rava io. Izany hoe zavatra mety hitranga fa ny olona no mandika azy amin'izay tiany andraisany azy.

Fa tantara iray mila raketina ihany koa ny fijalian'ny olona ara-drano teto amin'ny kaominina Anosy Avaratra sy Sabotsy Namehana (Mariho fa faritra maromaro eto amin'ny firenena no makiana rano sy tsy tafidi-drano ny tanimbary). Na dia avy matetika aza ny orana tao an-drenivohitra dia toa voadingana hatrany ireo kaominina roa ireo. Efa nitaraindraina ny olona ary ny manahirana dia ny mpanao biriky no anisan'ny tena mahazo tsiny.

Dia lasa ny sain'ny olona teto amin'ny fokontany misy ahy hoe tsy mbola nisy olona niompy osy mihitsy teto ka sao izany no tsy mety ilatsahan'ny orana teto? Nanaovan'ny olona fanangona-tsonia ireo mpiompy osy tamin'ny fokontany anankiroa (Kaominina Anosy Avaratra sy Kaominina Ambohimanga roa) ireo hanaisotra ireo biby fiompiny ireo. Dia voaisotra tokoa ireo biby ireo. Vao maika mety hanome vahana ny finoan'ny olona ny filatsahan'ny oram-baventy taorian'izany, ary dia nikoriana amin'izay ny rano amin'ireo lehandrano mahazatra ety amin'ny manodidina. Tsy haiko indray ny herin'ny vavaka nataon'ny Mpitandrina teto an-toerana hatrany amin'ny hilatsahan'ny orana. Dia izay indray aloha.



29 janoary 2021



Tsy ilaina ambolena hazo intsony ny Rovan'Antananarivo

2020-11-10 @ 20:58 in Ankapobeny

Tantara efa nosoratako tamin'ny blaogy saingy efa nofafako (indrisy) fa nisy antony matoa nesorin'ny Praiminisitra (na fony izy Ben'ny Tanàna fa mbola mila fikarohana izany) Guy Willy Razanamasy tamin'ny fotoan'androny ny Hazo andrefan'ny Lapa Manjakamiadana. Gazetiboky Ny Mpanolotsaina tamin'ny taona 1913 nisy lohatenin-dahatsoratra 'science fiction' hafa kely nahitana tsipalotra hoe tsy eo intsony ny Lapa amin'ny taona 2413 (500 taona). Antony: nahoraka tamin'izay nahatsikaritra fa nambolena hazo tao an-dapa ary hazo lalimpaka nokendren'ny mpanjanatany hidona sy handrava noho ny fakankazo ilay fanorenam-bato hitantsika rehetra. Mbola indrisy ihany anefa fa vitan'ny sasany ny nandoro ilay lapa rehefa voaaro tamin'ilay lozan'ny fakankazo... ary tena vondron'olona farafaharatsiny no nahavita izany satria nahita imaso ny nitaterana barika tao amin'io Lapa io ny mpanoratra ary mbola nihosotra na solika na vernis ny rindrin-kazo farany ambany talohan'io nahamay ny rova io.



Ny antony nanoratana dia noho izay tsikaritra tamin'ny sary navoakan'ny tao amin'ny Prezidansa, tamin'ilay fambolen-kazo natao tao amin'io Rovan'Antananarivo io tamin'ny 6 novambra 2020. Naninona no naverina indray ny fambolen-kazo izay tsy nankasitrahan'ny olona teo aloha ka nanongotany izany rehefa voafehiny tsara ny toerana? Tadidio fa na tamin'izany fotoana nanongotana ny hazo izany dia be no gaga sy tezitra fa nitony sy nisento indray rehefa nahazo ny fanazavana.

Tsikaritro hafa manaraka izany koa ilay firafitry ny zaridaina toa araka ny fiangaly frantsay, fomba fijeriko manokana io. Tsy dia tokony hahatezitra loatra ny amin'izay satria efa tsy hahatafaverina araka ny tokony ho izy intsony ilay tena firafitry ny trano tao isika. Fa somary nanaitra ny masoko manokana kosa ilay misy endrika maso amin'ny lafiny atsimo andrefana amin'io zaridaina io na avaratra andrefan'ny Lapa manjakamiadana.

Tsikaritra fahatelo indray ny fahatakonana tanteraka ny "Colidée izay vao naorina tao. Somary nahatalanjona ahy mihitsy io satria tahaka ny hoe tsy misy na inona na inona ao ambadika ao tsy mandehandeha foana ny sary ofisialy tahaka itony.

Fa moa ve fantatrao fa tsy ao ambadika atsinanan'ny fasan-dRadama Rainy no misy ny fitomiandalana fa ny mpanjanatany no namindra azy ho eo? Moa ve fantatrao fa tsy manaraka ny fitodiky ny trano ny fitodiky ny fasana rehetra tao anatin'io Rova io, fa nanaraka soa amantsara ny fomba fampitodika ny fasana teto afovoantany dia izay miakandrefana atsimo izany? Misy sary iray io mametraka izany toerana izay somary atsimo atsinanan'ny Lapan'i Manjakamiadana izany.

Moa ve fantatrao ihany koa fa tsy mbola faritry ny rova ny misy ny Colisée amin'izao fotoana izao raha ny sarintany mivoaka tamin'ny taona 1862 hitantsika io?

Momba ny taotrano indray, efa rava sy may ny teo, azo atao tsara ny mamerina araka ny endriny teo aloha, fa aleo atao vato na varafasy amin'izay ireo Lapa ambiny toa an'i Tranovola sy Manampisoa izany. Tsy misy na inona na inona tokony hokianiko na ho asiana fanakadrihana io na ravahana jiro. Mariho amin'ny sary ihany koa fa atsinanan'ny fitomiandalana no misy ny toeran'ny sampin'andriana(?) fa andrefan'i Mahitsielafanjaka kosa io raha ny fireny azy. Dia mitsahatra eto aloha fandrao lava loatra.

 

Efa mandry ve ny ao an-tanàna e? sa valalabemandry ialahy?

2020-09-30 @ 23:08 in Ankapobeny

Mba hafa lahy ity hira taloha iray ity. Efa mandry ve ny ao an-tanàna e? Izy efa matory e! Asa mitovitovy aminy ve ilay hira iray taty aoriandriana kokoa manao hoe valala! valalabemandry ialahy! valalabemandry ialahy! rahoviana ihany letsy vao ho valalabemifoha? Fa inona no nitranga?

Misy akony tsikelikely ny fanakatonana na fanerena hanakatona vondrona sy pejy Facebook itangoronan'ny Malagasy eto an-toerana sy manerantany. Misy ireo mikaika ankolaka fa iharan'ny antsojay... indrindra ireo pejy sy vondrona be mpanaraka sy ireo tia miresaka politika. Misy amin'izany vondrona izany manana mpanjohy na mpikambana mahatratra ny iray tapitrisa (tsy mampino izany raha tsy hita).

Maromaro vitsivitsy ireo tsy maty am-bavany no niditra am-ponja na/sy mahazo fanasaziana. Paika matanjaka iray amin'izany ny fampiasana ireo kaonty faikany na kaonty natao handoto rano na handoto rindrina fotsiny, fa ny tena loza tsy izay ihany no asan'ireny na tanjon'asan'ireny fa ny hanimba fiainan'olona tia ireo fijery tsy mitovy izay tsy voatery hiaraka amin'ny na hitovy hevitra hatrany amin'ny mpitondra amin'izao fotoana.

Fa inona no tanjona amin'ny fanakatonana? Tsy voatery hahay haminany izany isika fa fihevitra iray fotsiny ny hoe amin'izay tsy misy ny vaovao na hevitra mety hanohintohina ny filaminana, hampisara-bazana na hahatonga ny olona tsy hatoky ny fitondrana. Fitaovana mahery ny tambajotra sosialy ka ezahana ny hifehezana azy dia ho mora kokoa ny hifehezana ny mponina?

Paika tsara otra avy any Shina na firenenkafa mahafehy tsara ny sivana no ampiasaina amin'izany. Fanarahamaso henjana, fampiasana ireo "50 cent" natao handokandoka sy hanohana befahatany ny hevitry ny mpitondra ary natao hanohitra ny hevitr'ireo manana hevitra mifanipaka amin'ny an'ny mpitondra. Nahomby izany tany ary an-dalampahombiazana amin'ny fanapenam-bava ireo mba nahazo fahafahana kely tany aloha, tahaka an'i Hong Kong. Sisa jerena dia hoe hahomby eto Madagasikara ve izay fomba izay?

Raha nanokatra blaogy aho dia mba nifindra anjotra fotsiny ny diariko an-taratasy. Tsy maintsy hiverina amin'izany indray ve aho? Fa nanoratra ireo lohatenin-kira ireo aho noho ireo niainana fahazaza fa mba ho hain'ny ankehitriny ve ireo hira ireo?

Hay moa 125 taona androany no nitsangana ny saina fotsy tetsy Manjakamiadana?

Hiram-panahy handravàna ny fanahim-pidedahana?

2020-07-07 @ 18:15 in Ankapobeny

Folo taona mahery lasa izay, nisy hira malaza teto amin'ny firenena, nentina hitarihana tolona politika. Tadidinao ve ny lohateniny? 1492: Conquest of Paradise... Tamin'izany fotoana izany, alohan'ny "famakafakana" ataon'ireo mpanora-gazety dia injany ilay hira fa henonao. Hira mampamolovivoly. Dia misy hira malagasy iray hafa koa malaza niaraka taminy, hira zafindraony entina hanesoana ankolaka ny mpitondra tamin'izany fotoana izany. Lohateniny? "Iny lalana iny". (Misy tantarany koa ny nivoahan'izy ity teny an-kianja araka ny fiheverako azy fa mbola holazaina amin'ny manaraka angamba raha misy liana). Ireo hira ireo no nanavaka ny tolon'ny fanombohan'ny taona 2009.

Conquest of Paradise:

Ny hira (vahiny) voalohany, nalaina avy amin'ny filma mitondra ny lohateny hoe 1492, taona nahatongavan'i Columbus [Cristobal Colon] sy ny namany tao amin'ny vondro-nosy Bahamas ka ny nivantanany dia ilay nosy nomen-dry zareo anarana hoe San Salvador]. Nanomboka teo, norombahiny tokoa ny paradisan'ny olona. Norombahin-dry zareo ny tanin'ireo Natives. Io no Tontolo Vaovaon'ny Eoropeana. Nihanahazo vahana tsikelikely ny Eoropeana. Ireo tonga ireo no lohalaharana tamin'ny antsoina hoe "Conquistadores" izay nomena manokana ny lehiben'ny iraka na tafika moa. 

Eto aho dia te-hanamarika kely ilay tantara, ary izaho tsy mihevitra fa misy ny kisendrasendra fa mety ho efa ao anaty programa daholo ihany izany. Ny alin'ny 11 hifoha 12 oktobra 1492 no nanitsaka ny Tontolo Vaovao ry  Colomb. Daty manantantara ho azy ireo izany. Manahy dia manahy mafy aho fa manakaiky ny mety hitokanana ny Arena (Colisée), entina hankalazan'ny vahoaka ny fetim-pirenena amin'ny 14 oktobra io fotoana io. Iarahantsika mahalala fa nanokatra vanim-potoana vaovao ny nanitsahan'ny Eoropeana io kaontinanta vaovao io... ary etsy andanin'izany, tsy mihevitra aho fa miteniteny foana ny Filoham-pirenena amin'izao fotoana izao raha mamerimberina hatrany izy fa "hanoratra tantara vaovao isika". Ny hoavy ihany no hanamarina na handiso izay ahiahiko izay.

El Condor Pasa:

Fa raha nahatadidy ianareo, tsy nisy hira nahatohitra io hira io na dia niezaka ny nandefa hira klasika hafa aza ny tao amin'ny radio mada na ny radio fahazavana. Ataoko fa fahadisoana raha klasika eoropeana no entina hanoherana klasika eoropeana. Heveriko fa amin'ny fampiadiana angovon-kira dia izay hira avy amin'izay notafihana no tokony namaliana iny hira iray iny. Tsy haiko hoe efa tara loatra ve raha izao vao manoratra. Amin'ireo hiran'ny Natives notafihana dia maro ny azo raisina fa ny nosafidiako manokana dia ny El Condor Pasa. Inona ary no mety ho anton'izany?

Iretsy tonga avy any an-dranomasina, ny condor kosa milaza voromahery heveriko ho hita manokana ao Amerika sady mari-pamantarana amin'ny maro amin'ny Natives any. Ny Voromahery koa anefa no marika hita eo amin'ny Vavahadin'i Manjakamiadana izay vao nametrahana Arena na Colisée. Ary ny Voromahery dia afa-manidina.

Ity hira ity koa malaza manerantany, indrindra tamin'ny nitondran'i Leo Rojas azy nitety vazantany efatra. Samy hiram-panahy ireo roa lazaiko ireo, tsy mampaninona na dia efa misy mpanentana radio aza efa naka io hira faharoa io ho fanombohana sy famaranan'ny fandaharany. Sa hoe? Hamaranana dia revirevy fotsiny io fa aza atao be am-po an!

 

 

Taorian'ny fihibohana iray volana...

2020-04-22 @ 01:03 in Ankapobeny

Raha voasoratra fa mitohy fanintelony ny fotoan'ny hamehana ara-pahasalamana, dia saika nisalasala tamin'ilay hevitra tao anatiko tao aho. Hevitra fa tsy hanohy izany fihibohana izany intsony ny filoha. Efa manana izay nokendrena izy. Kanjo moa dia marina ihany ilay hevitro. Kisangisangy zary tenany no nanoratako ilay hoe "Deconfi...ture" tao amin'ny sata Facebook iny ny maraina mialoha ny kabary. Te-hanoratra aho hoe; "Deconfinement" nefa fandrao misy mihevitra hoe nahazo sopapa angaha aho. Tsy nanana sopapa ankoatra ny tsindrimandry aho, raha izay no ilazana azy.

Faly tokoa aho rehefa nandeha tsikelikely ilay kabary (mba nihaino indray aho... na dia tsorina fa tsy mpanaraka ilay fandaharana amin'ny iray folakandro intsony, tsy haiko ny antony fa tsy te-hanaraka fotsiny izao aho). Miresaka momba ilay artemisia annua ny filoha. Eo am-pihainoana aho dia efa mihevitra ao an-tsaiko hoe ka inona intsony moa ny ilàna fihibohana raha efa misy ary ny fanefitra? Tsy maintsy manohy ny fahamehana ny filoha ary mety tsara iny fanohizana iny ho fitandremana amin'ny tohin'ny tantara. Tsy maintsy tsinjovina ny filaminam-bahoaka.

Manaisotra tsikelikely ny fihibohana kosa indray anefa izy satria efa miharihary fa tsy ho zakan'ny olona intsony ny hanohizana izany, ary tsy mahazaka na tsy ho afaka hiantoka ny vahoaka iray manontolo izany ny firenena, indrindra fa hoe mahantra ara-toekarena izy. Mbola miaiky ny filoha (na/sy ny mpanolotsaina azy) amin'ny fomba hametrahana ny fandaminana ihany koa aho amin'ny fahaizany mametrapetraka ny zavatra rehetra. Ary mbola hiaiky amin'ny fahaizany mampiasa ny karatra eo am-pelantanany sy ny fahaizany mitady vola. Voaaisotra ihany koa ny eritreritra hihorakoraka an-dalambe raha hoe tapitra ny fihibohana.

Tsy mbola nahita mihitsy aho hatrizay ka hoe ao anaty kabary ofisialy no manolotra ampaham-pandaharana miresaka ilay artemisia ny filoham-pirenena. Hainy tsara ny resaka fifandraisana sy serasera, mipao-tsatroka amin'izany aho. Fandaharana vazaha (France24) nandeha tamin'ny taona 2017 momba ilay zavamaniry avy any Shina sy ny mitovy karazana aminy avy ao Afrika izany (Artemisia afra). Fandaharana momba ny tazo (malaria) sy ny fanefitra/fitsaboana amin'ny artemisia io fandaharana io fa somary mahavariana hoe nahoana no heverina sahady fa mety hanasitrana ny COvid-19 ilay zavatra (ny alin'ny 21 hifoha 22 avrily no nandeha feno tao amin'ny TVM io fandaharana io)?

Tao anatin'ny kabary ny filoha no nametraka fa hanomboka hiverina an-tsekoly ny ankizy mpianatra manala fanadinana ara-panjakana ka hampisotroana ilay fanafody izay hita, ary avy amin'ny tolokevitry ny filoha rahateo ny nanaovana ny fikarohana, ary nomena ny anarana hoe Covid Organics na CVO. Mbola sanganehana ihany ny ankamaroan'ny olona teo am-pendrenesana sy ny ampitson'io. Fa ny talata vao hita ho nafanavay ny fametrahana fisalasalana. Vao maika manko nampiteraka ahiahy ireo fiteny sasantsasany tao amin'ny kabary, ary tsy mbola hita na tsy mety miseho vatana ireo Manampahaizana Malagasy nahita tokoa ilay fanefitra/fitsaboana. Ny hany fototry ny olana dia ilay fanerena ny mpianatra hisotro ilay "tambavy". Tiana ampidirina ao anatin'ny fandraisana anjara ny IMRA saingy feno fiarovan-tena ny fomba fitenin'ny talen'io Orina Mpanasoa iray io. Dia ao anatin'izay savorovoron-tsaina izay aloha izao ny maro amin'ny mpiserasera fa dia ho hita eo ihany ny tohiny.


Mbola ilaina tokoa ve ilay fihibohana?

2020-04-11 @ 01:24 in Ankapobeny

Fanontaniana ho an'ny rehetra io raha mahita ny zava-mitranga hatramin'ny nanombohan'ny krizy ka hatramin'izao fotoana izao. Fanontaniana mametraka fisalasalana amin'izay tokony atao sy ny tsy tokony atao ary mampanontany ihany koa amin'izay ataon'ny eo amin'ny fitondrana.

Mariho sahady mba tsy handisoana ilay fampieritreretana etoana fa firenena maro no mampihatra ilay fihibohana sady tsy maintsy mihevitra izay hanampiana ny vahoakany hampihatra izany fihibohana izany ho mora kokoa. Tsy maintsy jerena ny sokajin'olona maro an'isa sy ny hatao hanampiana ireo sokajin'olona ireo farafahakeliny fa ny sokajin'olona rehetra no tokony ampiana avokoa. Mariho ihany koa fa mety mifampitohy amin'ireo hevitra efa navoakako bilaogy ihany koa ny soratra etoana.

Tamin'ny lahatsoratra tamin'ny 3 avrily 2020 mitondra ny lohateny hoe "Hanohy fihibohana sa tsia?" aho efa nanoratra ilay hoe fahadisoana voalohany nataon'ny mpitondra nametraka ny toekarena ho ambonin'ny aina, hoy aho tamin'izany, tamin'ny mbola nanomezana fotoana ireo avy any ivelany hiditra eto an-tanindrazana... ary notohizako toy izao: "Niezaka ny nanarina izy avy eo tamin'ny fanakatonana ny tanàna na ny faritra tamin'ny hafa... Dia azo atao ve ny mihevitra fa hiverina mankany amin'ny fahadisoana indray ny mpitondra rehefa nahazo lesona tamin'izay nitranga teo aloha sy raha mijery ny zavamisy manerantany?" Ny nahavariana dia nidirany tokoa ilay fahadisoana namela ny olona "hody any amin'ny misy azy avy" rehefa 82 ny isan'ny olona tratran'ny Covid-19 sady efa nisy ireo olona tsy nivoaka teto Madagasikara no efa tratrany (ity tranga ity no tena mampidi-doza kokoa satria efa tsy tambo ho fantatra intsony ireo olona hafa efa namindràny).

Lazaina fa mijery ny mahaolona izy tamin'izany fotoana izany fa be ireo tafahitsoka tao an-drenivohitra na tany amin'ny faritra hafa. Maro ireo nangataka mba tsy hotanterahana izany fampodiana izany saingy tsy noraharahiana izany fiangaviana izany. Nisinisy amin'izay ary ireo faritra nanapa-kevitra hiaro ny faritra misy azy izay tsy mbola nidiran'ity Covid-19 ity. Fepetra nokasaina hanokana-monina ao anatin'ny fotoana voafaritra ireo olona rehetra hiditra ao amin'ny faritra, saingy nodidian'ny taty amin'ny foibe fa tsy azo atao izany. Didy niteraka alahelo tamin'ireo nihevitra ny hiaro ny faritra sy ny mponina ao aminy. Tonga amin'izay ny fanontaniana hoe tena iniana aely mihitsy ve izany ilay aretina sa inona no tanjona amin'izany?

Ny tena sampona tamin'ilay zavatra dia ny fomba nanatanterahana izany fampodiana izany izay voafaritra ho telo andro. Nitakiana hameno taratasy fangatahana ireo olona. Tsy nampoizin-dry zareo anefa ny firohotan'ireo olona an-jatony, mety ho amana arivony akory aza, namonjy ireny toeram-piantsonana ireny. Difotra tanteraka ry zareo mpikarakara hany ka naverina tamin'ny fomba teo aloha ihany ny fakana ny mombamomba ireo mpandeha. Namory olona maro dia maro indray ry zareo tamin'io fotoana io. Ny sarandalana lafo dia lafo nefa tsy nampitoviana tamin'ireo mandeha voromby ny fepetra amin'ny fitiliana feno ireo mpandeha. Fitsapana hafanana ihany no natao tamin'ireo handeha fiara, ary ireo mikohaka dia najanona avy hatrany na nasaina tamin'ny toerana iray efa miandry azy ireo. Eo amin'ny politika anefa ny toe-javatra rehetra tsy misy izany kisendrasendra izany, ary tsy mikaonty ihany koa ny hoe tsi-fahaiza-mitantana fa fomba fitadiavam-bola no tena ao ambadika.

Efa nanoratra aho tao amin'ny lahatsoratra talohan'ity eto ity fa miova ny fomba fijery rehefa nandre ny fanazavan'ny FTA Marc Ravalomanana tao amin'ny Real TV, izay niharan'ny fisomparana moa taorian'io resadresaka io. Efa ao an-tsaina ny hoe hay azo atao tsara ny mitsinjara ny fanampiana ho an'ny rehetra ao amin'ny faritra rehetra (Analamanga sy Toamasina I sy II izany niampy an'i Fianarantsoa moa amin'izao fotoana izao) tratran'ny fihibohana noho ireo volabe avy any ivelany. Tsy nahita avaly tamin'izay nolazain'ny FTA ny tao amin'ny fitondrana, na tsy mbola nandre izany valiny aho aloha. Ny FTA Ratsiraka Didier Ignace ihany no hita nampitenenina hamaly ankolaka sady nanokana ny karama fandrainy amin'ny maha-FTA azy ho an'ireo sokajin'ny mpitandro ny filaminana sy mpitsabo miady amin'ity areti-mandringana ity. Ny setriny taty aoriana dia izay nataony indray ka tsy inona fa io famelana olona hiely any amin'ny faritra maro (raha tsy izy rehetra) eto Madagasikara io. Tahaka ny hoe sanatria atao izay hampisy viriosy an'i Madagasikara iray manontolo.

Dia avy koa ny zavatra iray izay nampalaza vetivety an'i Madagasikara indray. Tao amin'ny dinidinika iray ny Filoha Rajoelina no nilaza ny amin'ny hananganana ozinina hamokatra fanafody enti-miady amin'ity areti-mandringana ity. Toy ny mametraka tsy ankiteniteny ny hoe efa hita anie izany ny fanafodiny ka inona intsony ny mbola ihibohana fa vokarina betsaka ny fanafody itsaboana izay rehetra marary. Nefa taorian'io filazana io toa nikatso tampoka ny isan'ny sitrana tamin'ilay aretina. Io fampanantenana io sy ny famerimberenana hatrany fa voafehy ny aretina no mahatonga ny olona ho feno fiheverana fa toa efa tsy misy intsony ny antony ihibohana.

Mandritra izany fotoana izany koa ireo mpitondra sasany, mivoaka an-dalambe mizara arovava amin'ireo tsy manatontosa ny fihibohana - mbola ilay politikan'ny "spectacle" hatrany - nefa tsy hitan'ireo izay manao ny fihibohana. Mbola mampametraka ihany koa fa tsy maninona ny mivoaka ny trano rehefa manao ilay arovava sy orona. Politikan'ny mba ho hita hoe mizara ve? Ilay fizarana entana eny amin'ny tsenamora moa mbola mitohy soa aman-tsara ihany ary mahavory olona maro mifanety tokoa. Ireny fihetsika ireno no mahatonga ny maro ho tsy resy lahatra amin'ny tokony hanatanterahana ny fihibohana, izay tokony hotohizan'izay manao izany, rehefa mbola mifanohitra amin'izay tenenin'ny mpitondra hatrany no ataony. Tamin'ny fotoana nanoratana dia efa mihoatra ny zato ankehitriny ny isan'ny olona ofisialy tratran'ny Covid-19.

Zarao ho an'izay rehetra mihiboka ny vola tohan'ny fihibohana

2020-04-08 @ 14:25 in Ankapobeny

Manomboka izao dia lasa mipetraka amin'ny fanazavana ny mialoha sy ny aorian'ny antsafa nifanaovan'ny mpanora-gazetin'ny Real TV tamin'Atoa Ravalomanana Marc FTA tamin'ny 6 avrily 2020. Talohan'ny antsafa aho, raha nahatsikaritra ianareo mpamaky, tsy nanasa mihitsy ary tsy niangavy ny olona hanaraka ny fihibohana, fa tsy nanakana mihitsy ihany koa ny olona tsy hanao fihibohana. 


Tsy niteny mihitsy aho fa manao fihibohana izahay mianakavy kely ato an-trano, ary izaho irery ihany no miantsena any Sabotsy rehefa tsy maintsy atao izany. Indray alahady (tsy misy fiangonana tsinona!) aho no niakatra maraimbe hatrany Andravoahangy nividy legioma, dia izay ihany no niakarako tany Antananarivo. Rehefa tonga aty an-trano aho manao ny fomba fitandremana rehetra fantatra mba tsy hamindra amin'ny vady aman-janako sanatria. 


Talohan'ny antsafa aho nitaky hatrany ny ijerena ireo hafa toa tsy mety hitan'ny mpitondra fanjakana, ireo mpiahy tena, ary malahelo fa toa tsy raharahiana mihitsy ny mpiasan'ny tsy miankina voatery manaraka ny sitrapon'ny lehibeny. Azoko tsara fa tsy te-hiditra amin'ny fandoavana ny karaman'ny mpiasa tsy miankina ny fanjakana matoa manao izany, saingy mbola lasa ambanin-javatra hatrany ny ain'olombelona amin'ny sehatra tsy miankina ka mbola tanako ho fahadisoana hatrany izany. 


Tsy ankasitrahako velively ihany koa ny fanomezana "spectacle" lasa misy tanjona roa, voalohany handresen-dahatra ny olona ato anatiny hoe tena manao zavatra ilay fanjakana ka tena tia ny vahoakany sy tsy mitandro hasasarana ny amin'izany, dia eo ihany koa ilay hoe toa zary toerana natao hakana ilay aretina "coronavirus" ihany koa ireny toerana ireny noho ny famoriana olona. Faharoa indray handresen-dahatra ny any ivelany fa tena ampiasaina araka ny tokony ho izy tokoa ireo fanampiana-fampanjanaham-bola avy amin-dry zareo.


Fa eto amin'ny aorian'ny antsafa isika amin'izao fotoana izao. Azo lazaina hoe nampihiratra ny maso ihany ilay antsafa ka ahasahiana mitaky zavatra hafa noho ny teo aloha. Ahoana tokoa moa ny amin'ireo fampindramam-bola tsy hay isaina intsony raha amin'ny vola malagasy? Dia ohatrinona tokoa moa izany izao ny vola natokana hiatrehana ny krizy nateraky ny Covid-19 izao eto Madagasikara?


Raha tsy mbola nitondra firenena ilay olona nanontanian'ny mpanora-gazety dia mety azo sainina ny hoe tsy hainao ny hakelin'ity volabe kirakiraina ity ka tsy hahasahana ny vahoaka manontolo (izay tratran'ny fihibohana) na oviana na oviana. Fa efa nitondra ny firenena ilay olona sady mahasahy miteny fa mahay mitantam-bola ka dia tsy mahita avaly loatra amin'izay ikirakirana ny vola ka ny hany tsikera dia hoe "maso mahita vola ny an-drangahy ity"! Saingy izao, tsy nitaky ny hiarahana mitantana ny vola ilay rangahy fa mitaky ny mangarahara amin'ny ampiasana ny vola. Asa rahoviana no hanao izany tamberin'andraikitra izany ny mpitondra satria lasa miara-manontany aminy ihany koa ny hafa.


Raha heverina izany dia mahasahana ny olon-drehetra ihany ilay vola nomena-nindramina avy any ivelany, afaka miditra amin'ny "chômage technique" ireo orinasa tsy miankina fa afa-mandray fanampiana ihany koa ireo mpiasa ireo, raha ny tena ara-drariny. Amin'izay fotoana izay dia tsy misy ny fiangarana hoe ry zareo ary na ry zareo atsy ihany no mahazo fa tsy ny olon-drehetra. Saingy fantatra fa tsy hahavita izany ny ao amin'ny fitondrana fa izay raisin'ny mpikamban'ny LOHARANO lisitra ihany no omena. Tsy hahavita satria tsy ampy olo-marina hizara ara-drariny ireny fanampiana izay mbola averina ireny... satria trosa no hakana azy... ry zareo.


Mitady hanao ilay "spectacle" ny sasantsasany saingy tonga dia mahalikiliky ny hafa satria maneho avy hatrany ny fiangarana atao sy/na fomba hanodinam-bola ihany koa sanatrian'izany satria kapain-tsy hita fery iny. Koa azo heverina noho izany eo amin'ny sehatra sosialy fa rehefa hizara dia zarao ny rehetra fa tsy ny sasantsasany ihany fa efa betsaka io vola io.  Tsy niresaka ny fikarakarana ny marary aho eto aloha...

Sao dia ilaina ny hampandoavana volabe ireo mararin'ny Covid-19?

2020-04-07 @ 11:52 in Ankapobeny

Samy mahalala isika rehetra fa sahirana ny sarambabembahoaka. Maro ireo mitady ny haniny isan'andro, misy ireo efa tra-pahasahiranana lalina. Fa etsy ankilany ihany koa dia mahakivy ny toe-javamisy fahabetsahan'ny olona mifamezivezy sy mifamoivoiy manerana an'Antananarivo sy ny manodidina. Toa heverina ho adala ireo mba manaraka torohevitra hihibohana? Tsy voafehy intsony ilay vahoaka. Ahoana ny hamehezana ireo vahoaka tsy tan-dalàna manao izay tiany atao ireo? Dia avy amin'izay no mahatonga ity hevitro manaraka ity fa aza sainina zavatra hafa fa handiso zavatra maro! Satria koa manko efa nilaza mialoha ny fanjakana hoe raisin'ny fanjakana an-tanana iray manontolo ny fitsaboana dia lasa tsy miraharaha ny olona fa efa vonona ny hikarakara azy izany ny fanjakana raha marary izy, ataoko fa fahadisoana iray nataon'ny fanjakana ihany koa iny, raha jerena amin'ny toe-java-misy ankehitriny.

Hevitro manokana ny mba hitenenan'ny Filoha hoe "HEVERINA AMIN'IZAY NY HAMPANDOAVANA VOLABE AMIN'NY FITSABOANA COVID-19". TSy maintsy hitabataba amin'izay Ra-Malagasy Be-loha hoe ny fahasahiranana aza efa tsy anerany koa mbola ampandoavina volabe koa ny vahoaka? Maninona raha tonga dia vonoina fotsiny izao? Dia hovaliana amin'izay hoe tsy nanao masiaka mihitsy aho fa mba nandefitra amin'ny hoe mba misy ny mitady fivelomana fa tsy ho andeferana kosa ny fihetsika mihaika ny fandaminana napetraky ny fanjakana.

Raha tapabolana no mikotrika ny aretina dia raisina hoe manomboka amin'ny 14 avrily 2020 ho avy izao dia toy izao manaraka izao ny saram-pandoavana fitsaboana ny Covid-19:

1- Sazy aloa mialoha: 100.000 ariary noho ny tsy fitandremana
2- Sazy aloa mialoha hafa: 200.000 ariary noho ny mety ho efa namindrana tamin'olon-kafa sahady sy/na fandikana ny fepetra napetraky ny fanjakana tsy hivoaka ny trano.
3- 100.000 ariary tambin-karaman'ny mpitsabo miampy 50.000 ariary isaky ny mpanampy-mpitsabo mikarakara izay miisa roa farahafahakeliny
3- hofan'ny toeram-pandriana aloa isan'andro: 10.000 ariary, maninona moa no hoe toeram-pandriana? ho avy manko ny fotoana fa tsy ho ampy intsony io fandrianan'ny hopitaly io, ka afaka mitondra ny fandrianany ny marary fa tsy maintsy mandoa ny vola isan'andro ihany na izany aza.
5- manginy fotsiny tsy voatonona eto ny fanafody izay vidian'ny marary ihany koa. Azon'ny fanjakana koa anefa ny mametraka hoe ny fanafody ihany no iantohan'ny fanjakana satria efa nolazainy fa horaisina an-tanana. Ny marary kosa indray anefa no miantoka ny sakafo haniny isan'andro, fa raha avela ho ny hopitaly no manome sakafo dia 20.000 ariary isan'andro izany.

Raha mpiasan'ny tsy miankina mampiasa olona mandritra ny fihibohana kosa ilay tratran'ny Coronavirus dia ny orinasa no miantoka ilay marary ary mampitombo dimy amin'ireo voatonona etsy ambony no aloan'ny orinasa amin'ireo rehetra ireo.

Fa ny mpiasan'ny fahasalamana sy ireo mpanolotena mizara fanampiana ary ny mpitandro ny filaminana irery ihany sisa no iantohan'ny fanjakana manontolo ny fitsaboana. Tsy tafiditra amin'ny fiantohana kosa ny fianakavian'ireo voatonona farany ireo mba hifehezana hatrany ny fitandremana tsy hamindra amin'olon-kafa.

Mariho hatrany fa noho ny ditran'ny olona no mahatonga ity sosokevitro ity fa tsy fitiavana te-hahafaty olona. Amin'izay fotoana izay dia mba ho aretin-kenatra tsy miraharaha lalànam-panjakana hihiboka ity areti-mandringana iray ity. Afaka maka tahaka ihany koa ny firenena Afrikana hafa.

Tsingerintaonan'ny Raiko androany

2020-04-06 @ 20:38 in Ankapobeny

Tsingerintaonan'ny Raiko, niantso azy aho, niarahaba azy tamin'ny "Joyeux anniversaire", tahaka ny tsy mandre izy: "Ahoana tsara?". Tany amin'ny fanintelony nanao izany izy vao niarahaba azy tamin'ny teny malagasy... na niara-niteny tamin'ny teny malagasy izahay hoe "arahaba nahatratra ny tsingerintaona".

Mety ho tsy dia misy dikany aminao mpamaky izany raha tsy itantarako ianao. Taona 1981, nanomboka notereny hianatra taranja frantsay amin'izay aho rehefa nanomboka nianatra tamin'ny SAFF (Sekoly Ambaratonga Faharoa Fototra). Sekolim-panjakana tamin'izany fotoana izany. Tamin'ny ambaratonga fototra aho nianatra tamin'ny sekoly tsy miankina mirona amin'ny fivavahana kristiana protestanta. Boky taranja frantsay ho an'ny taona fahafito no nampianarina ahy.

Tamin'izany fotoana izany, tapakandro ihany no mankany an-tsekoly ny mpianatra miankina amin'ny fanjakana. Teny frantsay henjana dia henjana ho ahy no nampianarina tamin'izany. Nivadika tampoka na hoe sarotra tampoka ho ahy izany. Saiky hanohitra aho hoe tsy ampianarina anay any am-pianarana ny zavatra ampianarina anay, saingy tamin'izany nasiaka izy. Efa nihevitra sahady izy fa ho taranaka atao sorona izahay amin'ny fampianarana teny malagasy ranoiray. Tsy hisy handray mpiasa tsy mahay teny frantsay izany, hoy izy... Tsy mba tao anaty fiheverana izany hoe mba mety hanangana asa na hahaleo tena fa dia efa ampidirina an-doha sahady fa ho mpiasa. Ranomaso tsy ranomaso ny ahy tamin'izany satria sady miambin-trano, tsy mivoaka ny trano, no mianatra. Nitohy hatramin'ny taona faha-8 izany fianarana taranja frantsay fotsiny izany rehefa ao an-trano. Nampidirina tao amin'ny CCAC ihany koa aho mba hamaky boky teny frantsay betsaka.

Nisy vokany ihany izany rehefa afaka fanadinana BEPC tamin'izany (tsy tadidiko intsony ny fanoratra ilay CFEPCES) ka nianatra tao amin'ny Lycée Ampefiloha. Teny frantsay ranoiray sahady ny fampianarana ankoatra ny taranja malagasy. Gaga ny mpianatry ny St Michel fa mba mitovy haavom-pahaizana tamin-dry zareo ihany aho raha teny frantsay. Hatreo ihany aloha ny holazaiko... Fa tena tsara raha ampianarina any an-trano ihany ny ankizy indrindra amin'izao fihibohana izao.

PS: Nanomboka tamin'izaho tanora ihany koa no nanomboka nivoady tao anatiko tao aho fa hitozo mafy amin'ny fianarana teny malagasy, handala araka izay azo atao izany taranja izany... ary rehefa afaka BACC dia niditra indray tamin'ny fianarana teny anglisy ho fihaikana ilay taranja frantsay ihany... izay indro entiko mandraka androany io.

Ilay sary-sy-soratra nampigadra mpanora-gazety teto Madagasikara?

2020-04-05 @ 17:35 in Ankapobeny

Lohahevitra iray mampiady hevitra indray ny nampigadra mpanora-gazety iray eto Madagasikara tamin'ny faran'ity herinandro ity. Io ny sary hitantsika anton'ny fiampangana dia anjaran'ny tsirairay ny mieritreritra avy eo:


Izao no tsikaritra ary maha-hafa ny sary-sy-soratra (memes hoy ny teny vahiny iraisampirenena). Ambonin'ny "meme" ny lohateny amin'ilay gazety ahitana soratra hoe "confinement" izay baikon'ny fitondram-panjakana. Ambanin'ilay "meme" kosa ireo sary maro dia maro amorian'ny ao amin'ny fitondram-panjakana olona ao anatin'ny "confinement" sy ny tsy fahazoana mivorivory.

Nahoana ianao no mamory olona lazaina ho mizara sakafo sy fanampiana ny olona? Ary nahoana no tsy ahitana mpitandro ny filaminana mampanaja farafaharatsiny ny elanelana amin'ireo vory vahoaka ireo? Tsy misy arombava ireo! Toa kendrena noho izany ny hamindrana haingana dia haingana ny aretina? Tsy natsahatra ilay fizarana sakafo "spectacle" (na andeha atao hoe tsy azo alaina sary ho porofo) raha tsy notenenina hoe zarina hivory eo amin'ny kianjan'ny 13 mey ve izany olona izany?

Ka inona no ilazàna ny olona manao izay hiparitahan'ny aretina amin'ny alalan'ny Vonjy Aina tarihan'ny Ben'ny Tanànan'Antananarivo sy ireo Tsenamora any anaty tanàna sy fokontany isankarazany, tsy manaja elanelana any?


Fa moa tsy mahatohina tokoa raha ilay lohateny fotsiny  no jerena fa ahoana kosa ny fandehany raha miaraka amin'ny sary eo ambaniny araham-panazavana? 

Ny fotoana tahaka izao no tena mety amiko

2020-04-05 @ 00:06 in Ankapobeny

Ny fotoana tahaka izao no tena mety amiko. Voaangoko eto ampelatanako avokoa ny fahefana rehetra ahafahako mitazona azy. Afa-mampangina izay mitady hanohintohina ahy aho. Ataoko izay hamafana amin'ny fomba rehetra fa toa tsy ara-drariny ny naha-voafidy ahy. Raha esorina ireo "ambiroa" izay maro dia maro dia mihoatra noho ny elanelambato azoko manoloana ny mpifaninana amiko izany. Soa fa nisy izao toe-draharaha izao ahafahako mifehy tsara ny zavamisy.

Izaho rahateo manampahaizana manokana amin'ny fomba fampitan-kafatra ary efa nofiko hatry ny fahakely ny hitovy amin'ireny Kaisaran'i Roma fahiny ireny. Moa va tsy fahefana tsi-refesi-mandidy no ananan'i Kaisara? Ny hany olana fotsiny amin'ireny tantara ireny dia toa miasa dia miasa ny fifanampoizinana. Mila olona mahatoky ahy aho noho izany ho eo akaikiko mandrakariva, tsy maninona izay toetra ratsiny manoloana ny fiaraha-monina fa tombony lehibe ho ahy ny fananana azy tsy hivadika amiko na oviana na oviana rehefa omena kely sady mampidi-doza koa raha ahiliko tsy ho akaiky ahy.

Ny fotoana tahaka izao no tena mety amiko. Mody ampanantsoiko daholo ry ranona mbamin-dry ranona fa efa mazava ny kinendriko. Azo ve ilay vola any amin'ny mpampanjana-bola? Tsy maninona na vola hosamborina aza fa angaha moa izao no hamerina azy amin-dry zareo? Ny fihetsiketsehana tsy maintsy atao, sady haiko na ny mandihy na ny mihira... rehefa azo ny vola dia basy. Aiza no tsy hanome ahy ao anatin'izao sahotaka manerantany izao e? Zavatra efa niomanako ve tsy ho voafehiko? Tsy ilay voafehy araka ny eritreritry ny hafa fa voafehiko araka ny hamaritako azy. Dia hitolagaga ny maro, na dia ireo mpanohitra ahy aza, ka hifidy ahy indray amin'ny fifidianana manaraka...

Kanjo tapaka tampoka ilay redirediko te-ho filoha, eo am-piandrasana ny fepetra raisina ao anatin'izao fielezan'ny valan'aretina Covid-19 izao.
    

Hanohy fihibohana sa tsia?

2020-04-03 @ 22:28 in Ankapobeny

Miandry ny andro ivalian'izany fanontaniana izany avokoa ny maro eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Toa lazaina ho saro-baliana ilay fanontaniana, saingy mora io rehefa mijery izay laharam-pahamehana sy heverina ho manan-danja kokoa ny olona manapa-kevitra ny amin'izany. Inona ary ny fanontaniana ambony indrindra iankinan'ny fanapahan-kevitra hanohizana na hampitsaharana ny fihibohana? Mety ho samy manana isika fa raha ny amiko manokana dia hoe iza no ambony ny aina sa ny toekarena? Ny aim-bahoaka sa ny hanim-bahoaka? [maty rahampitso sa maty raha afaka ampitso?]

Raha ny tokony ho izy dia tokana ny safidy amin'izany: na manao ahoana na manao ahoana dia tsy misy ambony noho ny aina. Ka ahoana no atao hitandroana ilay aina? Ary ahoana ihany koa ny mety ho fiantraikan'izay fanapahan-kevitra horaisina avy eo? Inona izany ny fepetra tokony horaisina miaraka amin'izay fanapahan-kevitra tapaka? Ireo no tokony hovaliana na mety ho tsy valiako eto am-panoratana aza.

Fahadisoana voalohany nataon'ny mpitondra tamin'ity raharaha Covid-19 ity ny nametrahany ny toekarena ambonin'ny aina raha niangaviana hoe hidio ny sisitany amin'ny fanakatonana ny sidina avy sy mankany Eoropa (sy ivelany iray manontolo). Niezaka ny nanarina izy avy eo tamin'ny fanakatonana ny tanàna na ny faritra tamin'ny hafa... Dia azo atao ve ny mihevitra fa hiverina mankany amin'ny fahadisoana indray ny mpitondra rehefa nahazo lesona tamin'izay nitranga teo aloha sy raha mijery ny zavamisy manerantany?

Inona moa no azo heverina hitranga avy hatrany raha lazaina hoe tapitra hatreo ny "confinement"? Efa nisy ny nanao teny tsipalotra hoe efa nandresy isika izany, efa voafehy izany ilay izy ka dia andao hiara-mirona hivoaka ny arabe, hihorakoraka sy hifampiarahaba, ary tsy hihaino intsony izay fepetra tokony mbola ho arahana. Izany hoe eo amin'ny fotoana tokony hitandreman'ny besinimaro indrindra no hovahana tampoka ny varavarana... fa dia fahafatesana mikararana no hitranga eto Madagasikara.

Inona indray no azo heverina hitranga raha lazaina hoe mbola mitohy ny fihibohana? Hanohy amin'ny fivoahana ihany izay efa mivoaka, fa mbola hitandrina kosa ny besinimaro izay tsy hitantsika sy tsy henontsika na dia ho olana ho azy ireo aza ny sakafo hohanina. Mety hisy ny fanoherana ilay fanapahan-kevitra ary tsy fantatra izay ho fiantraikan'izany... ary eto no tena ilaina ireo olona efa notakiako hifampiresahan'ny Filoham-pirenena saingy tsy noraharahiany mihitsy mandraka androany. Tsy maninona fa izy no tompon'ny fanapahan-kevitra farany amin'iny.

Koa na dia amin'ireo nosoratako ireo fotsiny aza dia aiza ho aiza no mety kokoa sy mahasoa kokoa ny vahoaka malagasy? Tsy ijerena resa-pianakaviana izany fa fanapahan-kevitra politika rehefa ny filoha no naka ny toerana hitarika amin'ny ady amin'ny coronavirus ity! Fa raha mbola tsy mety ho azonao ihany izay tian'ny mpanoratra holazaina dia hoy aho hoe "Aza misioka raha tsy tafavoaka ny ala" ary mbola vao eto ampanombohan'ny fiitarana isika izao ka aleo tohizana izay efa natomboka fa ny fepetra entina hanampiana ny olona no jereo, na ny marina kokoa dia hoe ireo olona azo atokisana hizara tsy miangatra no tadiavo. Tsy adala akory ireo lazaina ho mpanohitra raha efa mahasahy miteny sahady hoe tokony ho amin'ny faran'ny volana avrily no haingana indrindra vao vahàna ny tady mamatotra ny varavarambe tsy hisokatra. Koa ambava homana, am-po mieritra fa efa lava dia lava sahady ny lahatsoratra!

Vahaolana politika amin'ny olana ara-pahasalamana

2020-04-02 @ 22:29 in Ankapobeny

Nosoratana tao amin'ny Facebook, tamin'ny voalohany avrily efa alina...

Filoha be fihetsiketsehana, Efa fahita iny.
Fa tsy maintsy misy vahaolana politika ity na tianao na tsy tianao.
Efa hifarana ny fotoana fihibohana tapabolana ary efa miandry ny tohiny ny olona, hotohizana ve sa tsia ilay fihibohana?
Na hitohy io fihibohana io na tsia, izay fanapahan-kevitra horaisin'ny Filoha dia hanakianana azy avokoa, ary hiandrasana azy an-kodimirana araka ny fiteny mahazatra.
Ka inona ny vahaolana amin'izany? Ahoana ny hampihenana ny fiantraikany ratsy eo amin'ny tontolo sosialy sy politika eto Madagasikara?
Zavatra iray, iangaviana mba tsy hitetateta hihevitra fa hahavita irery amin'ny ady amin'io Covid-19 io, heverina ho dokambarotra politika hatrany izay fihetsika rehetra fakana fon'ny olona, heverina ho fanararaotana ny zavamisy eto Madagasikara.
Ny fihetsika mahomby indrindra sy mety hampiara-mientana ny vahoaka iray manontolo dia ny fakana ireo filoha teo aloha rehetra, fakana hevitra azy rehetra ireo, ary miara-miseho amin-dry zareo imasom-bahoaka. Fanetre-tena avy amin'ny filoha ihany no ahafahana mahavita izany ary mety ahafahana misoroka amin'ny rotaka ahiana hitranga amin'ny vokatry ny fanapahan-kevitra rehetra na hanohy na hanatsahatra ny fihibohana. Tenim-pitiavana tsy hisian'ny korontana eto Madagasikara io zavatra soratako io. Faly aho raha raisina io tolo-kevitra io fa tsy manenina amin'izay soratako kosa aho raha tsy raisina ilay tolo-kevitro.

Eksodosy navilana milaza coronavirus (teorian'ny tetidratsy manerantany)

2020-03-31 @ 13:11 in Ankapobeny

Ary tonga ny taonjato vaovao, izay nanadinoana ny tantara teo aloha, nisy mpanjaka vaovao nanjaka tao Ejipta. Ary izy niteny tamin'ny mpanolo-tsainany hoe: Indro fa mihabetsaka sy mihalava ny fotoana iainan'ny zokiolona eto ambonin'ny tany nefa andaniambola betsaka ny vola famelomana azy ireo; andeha anaovantsika hevitra ireo fa manimba ny toekarem-pirenentsika. Nanaiky izany hevitra izany ireo mpanolo-tsaina satria heveriny ho andriamanitra velona miahy ny vahoakany ny mpanjaka.

Dia nanakarama manampahaizana izay sakaizany ihany ny mpanjaka hamorona aretina handripahana ireo zokiolona ireo. Dia nihevitra lalina ireo manampahaizana ireo ny amin'izay fomba hanavahana ny zokiolona amin'ireo sokajin-taona hafa ka na tratran'ilay aretina aza ny zaza sy ny tanora dia ho sitrana ihany, fa tsy mamela mivalo kosa amin'ny olon-dehibe mareforefo ara-pahasalamana sy efa nahazo taona mbamin'ny zokiolona fa dia ataony matiny tokoa.

Nomena baiko koa anefa ireo manampahaizana ireo hanome ny fanefitra ilay aretina hitsaboana ny havan'ny mpanjaka sy ny namany akaiky mety ho tratrany. Nofemperana mafy ireo manampahaizana ireo hitazona izany rehetra izany ho tsiambaratelo satria famonoana mangingina toy ny fahafatesana voajanahary no hambara amin'ny vahoaka.

Kanjo, nisy dokotera iray nahatsikaritra fa tsy mahazatra ity aretina iray toa mamono olona betsaka ity. Tsy maintsy natao izay hamonoana azy dia lazaina fa matin'ilay aretina vaovao tsikariny ihany izy na dia mbola ao anatin'ny heriny tanteraka aza. Dia nanao ny asa nampanaovina azy tokoa ilay aretina ka maro ireo zokiolona no matiny. 

Gaga tamin'ny herin'ilay aretina ny vahoaka ary nieritreritra fa matoa navelan'Andriamanitra hiseho izany dia ho famaizana ny vahoaka amin'ireo fahotana nataony, saingy tsy noheveriny manko fa ny mpanjakany ihany no tomponkevitra amin'ity aretina ity. Dia anjaranao indray no manohy ity anganongano ity...

 

Tokony eken'ny Fanjakana fa izy no tena tsy mahazaka fihibohana

2020-03-31 @ 01:49 in Ankapobeny

Tsy azo tohizana intsony io fihibohana io satria tsy maintsy manana adidy ny fanjakana hizara sakafo maimaimpoana isan'andro ho an'ny isa-tokantrano. Tsy misy anefa ny vola ahafahana manatanteraka izany adidiny izany. Mijaly ny vahoaka manontolo (eto Afrika) satria tsy afa-mivelona araka ny tokony ho izy. Vao maika famonoana vahoaka ny fampihibohana azy fa aiza ny vola hahavitana izany. Aretina nentin'ny mpanankarena teto an-tanindrazana ny covid-19 nefa ny mpanankarena ihany no afa-mizaka tsy misy fanampiana ny fihibohana. Dia lasa ireo sahirana ara-pivelomana indray ny lasibatra sy avela hihanjahanja amin'ny safidin'ny ho fatin'aretina sa ho fatin'ny hanoanana? Tsy misy anefa ny hisafidy ny ho fatin'ny hanoanana raha mbola misaina ihany koa ny olombelona ary tena avela hisafidy tokoa.

Raiso fotsiny eo amin'ny fitaterana, nahoana no raràna ny fitaterana olona an-tanety eto an-tanindrazana nefa maninona aho no mahita ny "Tsaradia" midina sy miakatra hatrany ao amin'ny seranam-piaramanidina Ivato? Satria ve tsara fepetram-piarovana ara-pahasalamana kokoa ny voromby nefa mifanizina kokoa ny anaty fiara? Tsy izay anefa no hitako fa hoe ny voromby fitaovam-pitaterana mahazatra ny mpanankarena fa ny fiarakodia kosa no iononan'ny tsy mahazaka ny saran'ny fandehanana fiaramanidina izay anisan'ny lafo indrindra eto ambonin'ny tany ny eto Madagasikara. Tahaka ny mametraka ihany koa hoe manan-jò ny mpanankarena hamindra aretina any amin'ny faritra hafa fa tsy voafehy kosa ny aretina raha ny sahirana no mitondra azy amin'ny faritra niaviany.

Misy zavatra tsy mitombina ihany koa eo amin'ny fandraisana andraikitra. Asaina mihiboka ny olona nefa maninona no mamory vondron'olona sasantsasany hatrany mizarazara fanampiana? Nahoana no misy avahana omena ary misy ny tsy omena na dia eo amin'ny samy sahirana aza? Ary ireo olona maka ny fanampiana ireo ve moa izany efa heverina avy hatrany fa tsy mitondra ilay aretina? Tsy misy dikany ilay fihibohana raha misy olona tsy maintsy mivoaka hatrany, na hiantsena io na hiasa (tsy miankina) izany hoe tsy misy ifandraisany amin'ilay ady amin'ny viriosy. Azo heverina avy hatrany manko iny fa hitondra ilay aretina ao an-tokantrano misy azy, indrindra moa fa olombelona ihany ka mety hanadino ny arofenitra tokony hotanterahana ao anatin'izao ady amin'ny areti-mandringana izao.

Ny manahirana anefa dia ailika any amin'ireo olona tsy manaiky fa mivoaka hatrany ny rihitra amin'ny tsy fahombiazan'ny fihibohana. Ireo mivoaka hatrany no helohina sy omena tsiny ho mafiloha. Fa odiana tsy jerena ny hoe ny olona tsy maintsy mitady ny hohanina anio. Koa aty amin'ny firenena mpitady ny hohanina isan'andro, dia tsy mitovy amin'i Eoropa sy Amerika isika, tsy ananan'ny olona izany tahiry izany ka raha mandidy ny fanjakana ny haniboka dia anjarany izany no manome sakafo ireo olona nodidiana hihiboka, raha tsy hoe angaha terena ankolaka hangalatra sy handroba ny olona noana raha mbola hohitarina io fepetram-panibohana io... 

Ary aoka tsy hohadinoin'ny tsy voatery hiantsena intsony fa efa fehezin'ny varomaizina ny siramamy sy ny menaka ary ny vary ka araka izay tiany hanaovana ny vidiny no mitranga amin'izao fotoana izao. Tsy ny nanangona sy nanapitra ny entana tamin'ny andro voalohany nametrahana ny hamehana no iharan'izany fa ireo voatery mandeha an-tongotra lavitra hiantsena dia milahatra avy eo rehefa mividy entana eny amin'ny mpamongady... Tsy voatery ho ny tsenamora intsony no misy filaharana lava fa any amin'ireo mpamongady sisa mbola misokatra ihany koa. Fa raha ny aty aminay aloha tsy hahita ireo zavatra ilaina andavanandro telo ireo ianao fa ho gaga fotsiny mahita olona mitaona siramamy amin'ny gony nefa tsy hitanao izay mpivarotra izany.

Fanamarihana: Indroa ihany aho raha be no nanaraka ny kabarin'ny Filoha nandritra ity trangan-javatra ity...

Diarin'ny fandalovan'ny Coronavirus eto Madagasikara (1)

2020-03-24 @ 23:48 in Ankapobeny

Handefa tsikelikely ny diarin'ny fiatrehan'ny olona ny fielezan'ny Covid-19 eto Madagasikara. Rehefa vita ny kabary nilazan'ny filoha ny fisian'ny tranga Covid-19 voalohany teto an-tanindrazana dia nikoropaka ny olona, indrindra ireo manambola afa-manao tahirin-tsakafo sy kojakoja ilaina andavanandro. 


Asabotsy 21 marsa 2020:

1- Hita tamin'ny tambajotra sosialy ny filaharana teny amin'ny farmasia, amin'ny alina sy amin'ny atoandro mazava loatra. Ifandrombahana ireo fanafody heverina ho manasitrana ny aretina sy ny mpitazona hery fiarovana. Vetivety dia lany ny Paracetamol sy ny Vitamine C tamin'ireo farmasia nisokatra. Ary nilaharana hatrany ireo farmasia mandraka ity andro nanoratana ity raha mbola misokatra ry zareo ka manana izay tadiavin'ny olona izay. Mariho fa ny zoma alina taorian'ny kabary no efa nivoahan'ny olona hividy fanafody.

2- Rehefa nivoaka ny trano ny manan-katao dia ny namonjy toeram-pivarotan-tsolika no nataony manaraka. Tsy nisy ny famerana dieny ety am-boalohany ka dia samy nameno araka ny takatry ny volany ireo izay afa-nanao izany. Tamin'io no nahitako fa kely ny fatra zakan'ny scooters. Nameno araka izay tratra ireo taxi hitako raha mampiditra tsikelikely no nahazatra azy ireo. Efa miomana sahady ny hisian'ny krizy mafimafy kokoa.

3- Nilaharana ihany koa ny teny amin'ny banky sy ny milina fisintonam-bola (ATM-GAB) hividianana "provision" mazava loatra. Nilaza ny mpilahatra iray teo fa ny alina dia efa nisy nipetrapetraka teo amin'ny manodidina ny banky, niandry vola ho tonga satria lany ny vola navoakan'ny GAB-ATM. Tsy nahagaga raha lava tsy tahaka ny mahazatra ihany koa ny filaharana tamin'ity fotoana ity.

4- Nifandrombahana sy nilaharana aoka izany ny teny amin'ny mpamongady. Vetivety dia tsy hita nanjavonana ny entana rehetra tao aminy. Ny vary no tsy hita voalohany. Mariho fa efa herinandro talohan'izao no efa tsy hita ny vary gasy sy ny mangamila (vary mena rehetra) ary tapabolana lasa kosa izay no tsy nivarotra vary gasy amin'ny gony intsony ireo mpamongady tao Sabotsy-Namehana ireo fa ny stock sisa no mameno tanàna. Amin'izao kosa dia ny vary rehetra mihitsy no tsy hita nanjavonana. Diso hevitra hatrany ireo nieritreritra toa anay fa talata ihany dia hiverina amin'ny laoniny io famatsiana vary io, eto am-panoratana aho vao mihevitra fa matoa efa tsy nisy mialoha ny vary gasy dia efa nisy goavana any ho any nanangona ny vary hakany tombombarotra mihoa-pampana.

5- Tamin'ity fotoana ity no nalaza dia nalaza ny fiakaran'ny vidin'ny voasary makirana izay nitombo avy folo heny. Raha ariary zato manko ny vidin'ny iray ny maraina dia nahatratra arivo ariary izany mandra-pahatapitra tanteraka izany voasary mahakirana izany.  


Nifanindran-dalana tamin'izany dia nifampihaona amin'izay tokony hatao ny Filoham-pirenena sy ny Filoha tsirairay avy amin'ny mpikambana ao amin'ny FFKM. Tsy hay izay fehinkevitry ny fihaonana fa ny tsikaritra dia nanao fanambarana tsirairay ireo Fiangonana efatra mpikamban'ny FFKM ireo. Ny an'ny FJKM sy ny FLM tamin'ny alalan'ny Filohany ary ny EKAR kosa tamin'ny alalan'ny Filankevitra Ekiomenika (Fivondronamben'ny eveka) eto Madagasikara. Ny itovizan'ny fanambarana dia ny fikatonan'ny Fiangonana amin'ny alahady 22 marsa 2020 sy ny fanafoanana ireo fivoriana rehetra miankina amin'ny fiangonana ao anatin'ny tapa-bolana. Nisy Fiangonana Zandriny mbola nikiry ny hanohy ny fotoanany, na ny asabotsy io na ny alahady, fa noravan'ny mpitandro ny filaminana izany ary nasainy namonjy fodiana ny mpiangona.


Alahady 22 marsa 2020:


Sambany tsy nisy fotoam-pivavahana ny fiangonana maro teto Madagasikara, ho fitsinjovana ny tsy isian'ny fielezan'ny aretina mazava loatra. An-tserasera kosa ny ankamaroan'ny fotoana raha toa tsy naharaka izay tamin'ny haino aman-jery tsy miankina ny olona. Nanao izay ho afany ireo mpitari-pivavahana manan-katao ny fiangonana ao amin'ny tamin'ny fanatontosana ny fotoana tamin'ny alalan'ny lahatsary mivantana, ary lohalaharana tamin'izany ny tamin'ny tambajotran-tserasera Facebook Live. Nisy aza moa ny niteny fa nanjary naharaka fotoana dimy aman'enina tao anatin'ny alahady iray. Tamin'ny marainan'ity Alahady ity no nanomboka tsy re intsony ny Radio Fahazavana 88.6 (Radion'ny FJKM) fa notazonin-dry zareo ho tsiambaratelo ny anton'izany tsy fandrenesana azy intsony izany.

Mariho fa misy ny vondrona manokana miady amin'ny fampiakaram-bidin'entana tsy ara-drariny ary misy ny antso manokana azo anaovana fitorohana saingy toa tsy hita ny fahombiazany amin'izao krizy izao hatramin'ny fotoana nanoratana. Misy ihany koa ny fanaovana antso maimaimpoana amin'ireo manahy fandrao tratran'ny aretina (910 na 913) saingy be dia be ny olona mitaraina fa toa tsy mandray antso akory ireo laharana maitso natao hiantsoana maimaipoana ireo, feonkira fotsiny no mamaly.

Nihazakazaka namonjy fodiana ireo olona avy any amin'ny faritany. Feno olona ny toeram-piantsonana. 

Tamin'ny fotoanan'ny misandratrandro dia nilaza ny blaogy iray fa efa betsaka no tratran'ny coronavirus (70-200), notsipahan'ny fitondrana ho lainga izany. Nilaza ihany koa io blaogy actutana io fa hanao fanambarana ny filoham-pirenena amin'ny fito ora hariva, naverimberin'ny TVM fa tsy misy izany fanambaràna ho ataon'ny filoham-pirenena izany fa ny filazana izay ataon-dry zareo ihany no ofisialy sy marina. Ny folakandro dia tsy azo nidirana avy eto Madagasikara intsony ny blaogy actutana. 

Rehefa nipaika anefa ny amin'ny fito ora mihoatra dia nandefa filazana antsoratra mikorisa eo ambany indray ny TVM fa hanao fanambaràna ny Filohampirenena amin'ny valo ora, nihemotra ho amin'ny sivy ora alina izany fa mbola eo am-pivoriana miaraka amin'ny praiminisitra sy ny minisitra vitsivitsy izy, mbola nihemotra hatrany ny ora ka efa hisasaka ny alina vao indro nipoitra ihany izy ka nanao kabary somary lavalava. Toy izao ny fintina:

Niampy sivy vaovao ny isan'ny voa ka 12 ny isany amin'izao. Saika avy amin'ny sidina AF934 avokoa izy rehetra ireo.
Mijanona avokoa ny fitaterana rehetra na an-drenivohitra na ireo mandeha any amin'ny faritra hafa.
Mihidy avokoa ny fivarotana rehetra afa-tsy ireo mpivarotra entana ilaina andavanandro, misokatra ny tsenambarotra lehibe.
Misokatra eny anivon'ny fokontany (eny amin'ny EPP ny tena marina) ny tsenamora.


Alatsinainy 23 marsa 2020


Mbola nisy fiara fitaterana vitsivitsy nanohy ihany ny asany, voasakana ireny rehefa manomboka ho mazavabe ny andro. Lasa mandeha an-tongotra ny ankamaroan'ny olona tsy manana fiara na kodiaran-droa. Feno miaramila sy mpitandro ny filaminana ny lalana. Manontany izay alehan'ireo ao anatin'ny fiara. Tsy manontany na mitady kosa ny antonta-taratasin'ny fiara. Mbola betsaka ireo mamonjy tsena hividianana ireo izay mety ho tavela saingy maro no diso fanantenana: tsy nety nipoitra loatra intsony ny vary. Nikatona avokoa ny mpamongady tao Sabnam afa-tsy tokana irery ihany.

Mitaratra izay misy ny sakana ataon'ny mpitandro ny filaminana ny fiara iraisana sasany ka miasa any amin'ireo izay tsy misy izany. Ny aty amin'ny faritra misy anay moa dia vahoaka be no niandry teo ampitan'ny sampanan'i Lazaina ka hotaterina mankany avaratra any, tsy haiko hoe hatraiza fa ny diako kosa tsy maintsy miakandrefana. Nampahatsiahy ahy ny andron'ny 26 janoary 2009 ity toe-javatra ity satria miloloha entana avokoa ireo olona mandeha an-tongotra. Fa tsy fandrobana kosa no nataon'ny olona tamin'ity fa fividianan-javatra izay zaka kosa. Betsaka ireo kivy tamin'ny tsy fahitana vary teny amin'ny fivarotana satria tsy afa-nanangona toy ny mpanankarena.

Niteraka fitarainana maro fa tsy araka ny fampanajana ny fihibohana ny tsenamora satria tangorona tsy misy tahaka izany no taratra. Vao maika io hampihanaka vetivety ny aretina, hoy ny mpandinika. Niteraka fahatezerana ihany koa ny fahitana fa mbola afa-manao ny sidina mahazatra azy ny fiaramanidina nefa ny fitaterana an-tanety noraràna tanteraka. Nanontany tena ny olona hoe fa dia fanomezana tombondahiny sy fitsinjovana ny mpanankarena hatrany ve no atao?


Talata 24 marsa 2020


Tsy nisy intsony ny fiara fitaterana, tsy maintsy mandeha an-tongotra 12-15 kilaometatra izany ny olona aty aminay raha te-hiakatra any Antananarivo noho ny tsy fisian'ny fiara fitaterana. Noraran'ny mpanao sakana ny fandehanan'olona roa amin'ny kodiaran-droa iray. Voatery miandry toerana lavidavitra ireo nitondra olona niandry ny namany. Olona roa ihany kosa no azo ekena ho entin'ny fiaran'olon-tsotra iray. 

Fiara tsy mataho-dalana roa an'ny Zandarimaria indray no lasa niandry teo amin'ny toeram-piantsonana vonjimaika an'ireo fiara fitaterana niasa an-tsokosoko voalazako ao amin'ny andron'ny Alatsinainy. Vao maika nihamafy ny sedra nahazo ny mpiantsena noho izany. Ny Mpamongady nisokatra dia mametra fatratra ny isan'ny entana amidiny amin'ny mpanjifany izay mpaninjara amin'ny ankapobeny, lasa toy ny mpividy tsotra ny mpivarotra mpaninjara fa tsy hoe mpaninjara. Somary reko tsipalotra fa toa efa najanona ny fitaterana an-habakabaka fa mbola mila fanamarinana aho.  Raha mbola somary betsaka ny fivezivezen'ny olona ny alatsinainy hariva dia toa tsy hita intsony kosa izany fivezivezena izany ny talata hariva, nangina tanteraka ny tanàna. Azonao atao ny manampy na manitsy azafady.

Coronavirus: Lasa natao soavalin'i Troie, tafiditra an'i Madagasikara

2020-03-20 @ 21:41 in Ankapobeny

Daty tafiditra ao anatin'ny tantaran'i Madagasikara indray ny 20 marsa 2020, (20 anankitelo). Izay manko vao nambara tamin'ny fomba ofisialy ny nahatafiditra ny Coronavirus teto Madagasikara ary vehivavy anankitelo mbola salama jerena no mitondra izany. Vehivavy 41 taona, vehivavy 19 taona ary vehivavy 45 taona. Toeram-piaingana iray na hoe mitovy fa lalana anankitelo no nidirany teto Madagasikara na dia samy avy amin'ny voromby avokoa aza izany. Ny voalohany niditra tamin'ny 17 marsa 2020 tamin'ny alalan'ny sidina Air France, oadray, nitovy daty tamin'ny nampiongana ilay rangahy iry! Ny faharoa niditra teto Madagasikara tamin'ny 18 marsa 2020, niainga tany Frantsa fa nandalo tao amin'ny nosy Maorisy, vao nentin'ny sidina Air Mauritius ho eto Madagasikara. Ary ny fahatelo kosa tamin'ny 19 marsa 2020 avy amin'ny sidina Air Madagascar... Raha araka ny nambaran'ny Filohan'i Madagasikara.


Voamarika avy amin'izany fa tamin'ity herinandro ity daholo ireo olona ireo no niditra an'i Madagasikara, izany hoe tao anatin'ny fotoana efa nisian'ny fanapahan-kevitra hanidy sisintany fa ny andro no nandrasana hoe tapitra ny andro alakamisy vao hohidiana ny fampidirana olona. Dia aza atao mahagaga raha voasoratra ny hoe efa tena notadiavina mihitsy ny nampidirana azy vao hohidiana ilay sisintany, dia izay no nahatonga ny lohateny hoe dia nampidirina toy ny soavalin'i Troie mihitsy izany vao nohidiana ny vavahady nefa efa miandry fotsiny ao anaty soavaly ny fahavalo ary handripaka ny mponina. Ho an'izay tsy mahazo ny resaka mihitsy dia fanazavana lavabe amin'ny tantara nosoratan'i Homère mitondra ny lohateny hoe "L'iliade et l'Odyssée" ny valiny azoko omena azy. Io tantara io koa no nahatonga ny anarana rindram-pisompatra malaza amin'ny solosaina hoe "trojan".


Efa folo andro talohan'izao indrindra anefa ilay rangahy voaongana iry no nilaza ny hanakatonana ny sisintany saingy ny valiny moa dia hoe manjary potika ny toekarena. Efa lava angamba izay soratra izay fa aleo aloha samy hitsakotsako daholo.

 

 

Inona ny malaza voalohany taona 2020?

2020-01-18 @ 17:59 in Ankapobeny

Tsy tana indray ny eritreritra na dia ninia nangina aza fa toa mafanafana am-boalohany ity taona 2020 ity. Ninia tsy nanoratra tao anatin'izay fotoana lavalava izay na dia be aza ny tian-kampitaina sy hovakian'ny taranaka any aoriana any raha mbola tsy maty ny votoaty anaty lohamilina.


Nandalovana ny fifidianana Ben'ny tanàna izay nanarahana manokana ny tao Antananarivo Renivohitra na dia tsy mpifidy ao intsony aza ny tena. Misy milaza fa vita tanteraka Ravalomanana sy ny antokony rehefa resy amin'ny fifidianana ny olona natolony. Iny ilay hoe aleo ny tantara no hitsara an'izany. Minia tsy miresaka ilay lisi-pifidianana nokitihina isika izany eto na dia voararan'ny lalàna aza izany fikitihana lisi-pifidianana izany raha tsy amin'ny fotoana tondroina manokana.


Tonga ny farany sy ny voalohany taona, nampamirapiratana jiro kely maro dia maro, tahaka ny any andafy ny teo Antaninarenina sy ny manoloana an'Ambohitsorohitra. Dia nirohotra alina tokoa ny olona, naka sary sy fahafinaretana amin'izany zavatra mipendrapendrana mahafinaritra izany. Fanantenana izany mba ho tsara fanombohana ny taona.


Nilazana ny mpiasam-panjakana fa hisondrotra 13% ny karamany, tsy misy resaka ny an'ny tsy miankina an! Avy eo nandrenesana fa hozaraina "panier garni" 65000Ar avy ny mpiasam-panjakana rehetra. Nanomboka ny olana fa samy nanana ny sandany ilay 65000Ar, misy ireo tsy nandray afa-tsy 1800 Ar, nisy ireo tsy nandray afa-tsy 9000 ar... Na hangina tsy hisy tohiny ny raharaha na ho singam-bolo handavo ny vositra io. Lasa ny eritreritra hoe sao dia 13000Ar na 65000frs taloha no saika notenenina dia lasa 65000Ar no voatonona? Aleo ampirimina ho any amin'ny tantara ihany koa iny.


Fa tonga eo amin'ny fandaminana ny tanànan'Antananarivo isika: nandray ny fahefana ny Ben'ny tanànan'Antananarivo, roa andro mialoha izany dia efa napariaka nanerana an'Anosibe sy Anosizato ny mpitandro ny filaminana hanaisotra ireo mpivarotra amoron-dalana, sy hampianatra ny olona amin'ny fiampitana arabe. Raha tena mponin'Antananarivo dia mahay sy mangetaheta hatry ny ela izany fandaminana izany. Tsy nahovoka mihitsy ny mpitondra teo aloha satria tsy nanome baiko ireo mpitandro ny filaminana hampanao izany tahaka ny amin'izao fotoana ny fitondrana foibe.


Dia eo indrindra isika izao: miandry ny tohiny ny olona hoe hovitaina hatramin'ny farany ve ity fandaminana sy fanesorana ny mpivarotra amoron-dalana ity sa fanairana am-boalohany fotsiny dia avy eo miverina tanteraka ny gaboraraka? Fiandrasana ankodimirana avy amin'ny tsy nifidy an-dry zareo io. Tsy adala ny olona misaina ka tsy hitehaka amin'izay fivoarana fa tena faniriana ny hoe tsy ho afo-mololo fotsiny izao fandaminana izao. Ny toerana asiana ireo mpivarotra amoron-dalana? Hanao ny tsy ara-dalàna ve aho izany dia ampidirina ao amin'ny ara-dalàna avy eo?

Ireo lisitra eto Avaradrano Alohan'ny fifidianana depiote 2019

2019-05-14 @ 18:06 in Ankapobeny

Araka ny mety ho voamarikareo any anatin'ny soratako any dia aty amin'ny kaominina avadrano aho no monina, dia araka izay hitako sy ny fandinihako eto an-toerana ihany no soratako. Folo ny isan'ny lisitra mifaninana, ao anatin'izany daholo ny efa depiote teo aloha na ny tsy niova antoko na ny namadika palitao, fa ny zavatra iray mahavariana dia ny fifaninanan'ny ben'ny tanàna ho amin'izany toerana izany. 


Mampanontany tena hoe ny depiote be izany no ambony kokoa noho ny Ben'ny tanàna raha mifandrombaka ho amin'izany ireto olona ireto. Raha eo amin'ny haben'ny fari-pifidianana aloha dia lehibe kokoa noho ny an'ny ben'ny tanàna ny an'ny depiote, tahaka izany ihany koa ve ny eo amin'ny tombontsoa hafa? Tsikaritra fa Ben'ny tanàna avokoa ny ao anatin'ny lisitry ny IRD (Isika rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina), olona tsizoviana amin'ny maro noho izany no mirotsaka ary fahazoana tombony hafa kokoa izany manoloana ny hafa. 


Misy ihany koa ny Ben'ny tanàna mirotsaka amin'ny anarany manokana, olona avy amin'ny faritra hafa eto amin'ny distrika ihany koa ireo miray lisitra aminy. Olona nahavita be teo amin'ny kaominina iadidiany, sady manankarembe (Sabotsy Namehana) izany ka maro amin'ny olona mahalala azy ihany koa no vonona handrotsa-bato ho azy raha ny afidy manoloana ny trano no itarafana azy. Ny tsinjo dia maro amin'ireo nametaka afisin-dRavalomanana tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ireo mametaka ny afisin'ity lisitra mahaleotena Avoty Avaradrano ity. Izy anefa dia nanohana mafana fo an'i Andry Rajoelina, filoham-pirenena, fa tsy tafiditra anaty lisitra IRD ka nanangana lisitra manokana ho azy. Ny mpifaninana mivantana amin'ny TIM ka maka ny ampahany maro amin'ny mpifidy azy eto Avaradrano, tsy lavitra loatra an'i Sabotsy, noho izany dia ity lisitra ity. Antoko hafa mifaninana ihany koa ny ADN sy ny AREMA, ary any amin'ny takotakona any dia misimisy ireo trano sady mametaka afisy AREMA amin'ny tranony no mametaka afisy IRD ihany koa.


Ary hafahafa kokoa noho izay ireo lisitra mahaleotena tsy ho hay izay apoakany na dia misy aza ny miezaka fatratra mampafantatra ny tenany. Lisitra iray sisa no tsy fantatra mihitsy hoe mba iza koa ary io satria tsy misy afisy na zavatra hafa mety hamantarana azy mihitsy fa dia any amin'ny efitra fisainana angamba vao ho hita hoe mba iza ity nandany 5.000.000 ariary amin'ny tsy antony ity.

 

 

Lalana ankodahoda: Isahafa - Ambatoharanana - Imerimandroso

2019-05-03 @ 10:06 in Ankapobeny

Nitsangatsangana niaraka tamin'ny fiangonana misy eto an-tanànan'Isahafa Avaradrano izahay mianakavy kely tamin'ny voalohany mey. Nandeha toerana hafa kokoa (Imerimandroso) izahay. Lalantany hatrany no naleha raha mivantana avy eto Isahafa mankany Imerimandroso, izay mandalo an'Ambatoharanana, toerana voalohany nijoroan'ny misiona Anglikana teto Madagasikara. Maro anaka kely ny tena ka nandeha fiara madinika manokana fa tsy niaraka tambabe tamin'ny fiara iombonana.


Efa nampiomanina mialoha fa somary ratsiratsy ihany ny lalana ka raha fiara madinika no andehanana dia aleo aloha mihodina mihitsy mankany Sabotsy Namehana mandalo Ambohinaorina dia manavatsava ny vahalava mizotra manatona ny lalambaovao mankany Ivato iny fa manaraka lalantany ihany ka mandalo an'Ambodifasina, Ambatolampy Tsimahafotsy, mandalo ny ozinina shinoa mpanao vato(fanaovana cross taloha) vao mitady hoe aiza ny lalana mankany Imerimandroso.


Ora roa no nanaovana ny lalana satria mbola tratran'ny fitohanana tamin'ny niditra ny tanànan'i Sabotsy tamin'ny naka solika. Mba tsara ihany ny lalana tamin'ireo toerana nolalovana voalaza anarana ireo fa niova tampoka izany rehefa avy eo. Mikintoatoana tanteraka sy feno dongona nisy fiantraikany tamin'ny fiara. Tsy mampaninona loatra ny kodiarandroa izany lalana izany nefa mba manao ahoana ny famoahana vokatra amin'izany? Tsy misy firy kilaometatra an'Ivato Seranana izany dia efa ankodahoda sahady.


Rehefa samy ho ratsy ihany ny lalana dia naleo indray miara-dia amin'ny besinimaro fa mba samy mandady eny ihany rehefa mody. Dia tena izany tokoa no natao niainga avy eo Imerimandroso, mandalo an'Ambatoharanana sy andeha atao hoe miafara avaratr'Imahatsinjo. Vitesy voalohany hatrany tamin'ny lalana tokony ho vita ampahaefatradiny raha ela indrindra amin'ny lalana tsara. Tena tsindraindray vao mba miditra vitesy faharoa. Tsy mahita izay tanàna manodidina ny saofera fa ny lalana ihany no ifantohana, mijery hoe aiza indray no tsara andadizana. Adiny iray sy fahefany no nahavitana azy. 


Rehefa mahazo ilay sampanana be dia be ahitana ireo lalana mankany Ambohimanga, Ambohimiaramasoandro, Anosiarivo, Mahatsinjo (ilay nosoratako hoe Imahatsinjo) vao tsara ny lalana, na dia lalantany aza, ka ny mizotra mankany Iavoambony no naleha rehefa mody satria mifampitazana ihany manko Isahafa sy Iavoambony. Saingy mbola mivadika ratsiratsy indray ny lalana rehefa hiditra ny tanànan'Iavoambony. Tsikaritra ihany anefa eny antsefatsefany eny fa nisy totovato ny lalana fa efa simba tanteraka izany.


Efa mba nandehanako ihany koa ilay lalana avy eo amin'ny sampanana maro nolazaiko io mankany Ambohimanga fa dia tena tsy fanao ianao ny ampahany sasany ary na kodiaran-droa aza sahirana ihany rehefa tsy sahy mandeha amin'ny sakelika mitovy habe amin'ny tahalaka an-tanimbary, raha mianjera kosa aloha dia hihosina tanteraka sady toy ny latsaka an-kady ka ho sarotra ny ivoahan'ilay kodiaran-doa mianjera ao. Lazaina fa Lalan'ny misionera voalohany izany ampahan-dalan'Ambohimanga mankeo amin'ny sampanana maro izany.


Teo no nahatsapako fa hay mba tsara ihany ny lalana avy eto Isahafa mankao Lazaina na dia mikitaotaona aza ny eny amin'ny Vahalavan'Andranomasina. Teo no nahitako fa tsara raha atao taranja ampianarina any an-tsekoly ny fanaovan-dalana ambanivohitra mba hahaizana mikojakoja ilay lalana farafaharatsiny sy hanekena fa tsy maintsy asiana ny tatatra ivoahan'ny rano fa tsy ho tia tena hanampina ilay fivoahan-drano satria zary mivarina an-tanimbary ny ranon'orana, dia ny lalana no ratsy tanteraka avy eo. Tsy azo antenaina ny manampahefana hanao izany lalana lazaiko izany satria faritra efa avela ho ankodahoda izany, ary misy ny manana tombontsoa amin'ny faharatsian'ny lalana satria mbola mora lavitra noho ny "vary mora" ny vidimbary vokatra any.  


Resaka lalana fotsiny izany lazaiko izany ary ampitaiko eto fa tsy izay fahasahiranan'Antananarivo renivohitra ihany tsy akory no fahasahiranan'i Madagasikara (sa tsy mahazo manoratra an'izany aho?). Be loatra ny olona mijaly noho ny faharatsian'ny lalana sy ny tsi-fandriampahalemana aterak'izany ary tsy mahagaga loatra raha mivangongo ao Antananarivo ny olona.

Soratra aoriana: 18 kilaometatra ny totalin'ny lalana vita tamin'io fotoana io...

Firaisankinan'olon-dratsy!

2018-03-24 @ 20:53 in Ankapobeny

Avy nanatrika ny fivorian'ireo bilaogera maromaro aho androany asabotsy 24 marsa 2018 no andeha hody, efa maizina ny andro saingy mbola be olona eny an-dalana.  Tao amin'ny toeram-pisakafoanana iray teo Ambohijatovo no nanaovana izany fivoriana izany, ary mba nahatratra 20 ny isan'ny nanatrika. Anisan'ny betsaka izany raha oharina tamin'ny fivoriana efa natrehiko hatramin'izay. Tsy dia any loatra anefa no tena tiako hosoratana fa ny tranga iray hitako teny an-dalana hody no nahavariana ka hotantaraina kely.


Efa maizina ny andro, be ny mpivezivezy eny an-dalana amin'iny Ampasapito eo amin'ny rond-point iny ary mitohana ihany koa ny fifamoivoizan'ny fiara. Somary 50 metatra mizotra ho any amin'ny gare routière iny anefa dia nisy tangoron'olona be dia be, ary nisy polisy maromaro koa teo tamin'izany. Vinaniana fa nisy mpanendaka tratra teo amin'io toerana io, sady fiantsonan'ny fiara fitaterana ihany koa ilay izy. Afaka 50-100 metatra miala eo indray dia misy zatovolahy iray ety ivelany midaroka mpamily taxi ao anatin'ny fiara 4L. Misesisesy ny totohondry nataon'ilay tovolahy, heveriko avy hatrany fa mpanendaka naman'ilay tratra nolazaiko teo io mitifitra tsy ankitsahatra mpamily taxi io. 


Mitohana ny fifamoivoizana, tsy afaka nandositra ilay taxi, mitohy hatrany ny daroka ataon'ilay zatovolahy. Tsoriko fa raha azoko natao dia nadonako tamin'io tovolahy io no moto-ko no mandositra aho avy eo satria efa misy tovolahy maromaro koa hanenjika ilay taxi, ary saika nataoko izany ho fiarovako ilay mpamily taxi. Fa tsy afaka nisongona ireo fiara teo alohako mihitsy aho noho ny hateren'ny lalana azo isongonana (fantatsika anefa fa midadasika mihitsy iny arabe avy eo amin'ny rond-point mankany Ampasapito iny). Efa saika hivadika taty amin'ny toerana anilan'ilay mpamily hanao ny fanendahana mihitsy ilay tovolahy no afa-nitsoriaka tampoka ilay taxi ka nandositra.


Ny zavatra azo marihana dia ny olon-dratsy indray eto amin'ny tanàna no manana firaisankina fa ny hafa kosa tsy mba afa-mifanavotra. Efa mifankafantatra angamba ry zareo ary lazaiko anareo fa misy hatramin'ny 10 taona monja ireo tovolahy manao andiany handeha hamely ilay mpamily taxi io. Maninona re no dia avelantsika hanjaka toy izao ny ratsy? Dia hiaritra izay ataony fotsiny ve izany isika? Manjombona tanteraka ny hoavy raha betsaka amintsika no tsy manao izay tokony ho adidy ho firaisankina hanoherana ireo olon-dratsy ireo.

Asa Fanatsarana Nisongadina 2016

2018-02-08 @ 21:58 in Ankapobeny

Ny "Top 5"

Fanavaozana ny lalana Ivato-Tsarasaotra 184 083 839 989 ariary
Fanavaozana ao amin'ny hopitalin'i Tambohobe Fianarantsoa 157 704 210 000 ariary
Fanamboarana ny fefin'ny Paositry ny polisy Mahazoarivo Antsirabe 102 964 661 000 ariary
Fananganana ny paositry ny polisy Ambaniala Itaosy 79 966 665 000 ariary
Fanavaozana ny tranobe "LDS"/telecom zandary Antranobozaka Antsiranana 79 430 000 000 ariary

Inona indray ireo nanaitra ny tena manokana?

Fikojakojana WC na kabone any Itasy: 1 000 000 ariary
Fandokoana, fanoloana vachette sy karetsaka sns faritra Anosy: 4 700 000 ariary
Fikojakojana sy fanavaozana ny kabonen'ny minisiteran'ny vola porte 301: 4 997 000 ariary
Fikarakarana fefin'ny MAE: 5 000 000 ariary
Fananganana (fandavahana) vovo iray Minisiteran'ny Fanajariana ny Tany Morafeno-Antsiranana: 7 500 000 ariary
Fandokoana ny ivon-ketran'i Antsiranana 7 999 553 ariary
Fikojakojana efitry ny mpiandry raharaha sy biraon'ny "courier" 7 999 788 ariary
Fanavaozana ny kabonen'ny DSI minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka 14 984 100 ariary
Fanavaozana WC/SLAB 15 990 900 ariary
Fanavaozana ny kabonen'ny minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka Ambohidahy 19 916 700 ariary
Fananganana vovo-paompy fokontany Morarano-Fiadanana CU Betroka 20 000 000 ariary
Fananganana Chateau d'Eau (iray) Magnitsevo, Berano, dis Amboasary 21 850 516 ariary
Fikojakojana ny biraon'ny Minisitry ny Fizahantany ao Tsombazaza 30 000 000 ariary
Asa fiarovana ny Rovan'Atongona 36 438 353 ariary
Asam-panavaozana ny lakozian'ny sekolin'ny polisy 39 995 400 ariary
Fikojakojana ny kabonen'ny D°G Fitsinjaram-pahefana 39 998 500 ariary
Fametrahana fatsakana (vovo?) efatra ao Ambato-boeny 41 981 243 ariary
Trano fisasana sy fidioavana ao Scama Diego 42 500 000 ariary
Fametrahana fatsakana (vovo?) efatra ao Soalala 49 499 071 ariary
Fametrahana vovo roa sy fanitarana fametrahana rano azo sotroina Antsalova 49 647 696 ariary
Fanavaozana ny biraon'ny distrikan'Ihosy 49 800 000 ariary
Fametrahana fatsakana miisa enina ao Manja 49 946 690 ariary
Fanavaozana ny biraon'ny distrikan'i Vatomandry 49 959 550 ariary
Fametrahana fatsakana miisa enina ao Manja (olona hafa) 49 961 100 ariary
Fametrahana tetezan-kazo kely iray distrikan'i Maintirano 49 963 368 ariary
Fametrahana fatsakana telo ao Bemahatazana sns 49 978 560 ariary
Fametrahana fatsakana miisa telo ao Manja 49 981 550 ariary
Fametrahana fatsakana miisa telo ao Belo sur mer 49 985 000 ariary
Fanavaozana ny trano ipetrahan'ny minisitry ny Taozava-Baventy 49 989 640 ariary
Asa fiarovana ny Rovan'Ilafy 51 298 350 ariary
Asa fampidiran-drano ao amin'ny Sekoly Ambonin'ny Zandary Moramanga 59 904 540 ariary
Asa fiarovana ny Rovan'Ambohidratrimo 65 625 518 ariary

Asa fiarovana ny Rovan'i Tsinjoarivo 87 298 982 ariary
Fanatsarana ny Villa Elisabeth 88 898 050 ariary

Fametrahana ny tambajotra LAN minisiteran'ny harena ankibon'ny tany sy ny solitany 94 649 210 ariary
Famefena ny trano ipetrahan'ny minisitry ny filaminam-bahoaka 99 944 326 ariary
Fandokoana ny ivelan'ny CCI Ivato 120 000 000 ariary

Fanavaozana ny fanaka-drihan'ny minisiteran'ny toekarena 129 990 717 ariary
Fanoloana ny tafon'ny CEG Avaradrova 133 968 725 ariary
Famitana ny asam-pananganana ny FJKM Mandritsara 137 548 7323 ariary
Fanavaozana ny FJKM Ambohitrombihavana 138 500 000 ariary

Sary nindramina

Fanavaozana ny FJKM Anosiarivo Ambohimanga 139 500 000 ariary
Fanavaozana ampahany amin'ny FJKM Ambohibololona Imerintsiatosika 160 564 835 ariary
Fananganana Trano Fianarana hoan'ny EKAR Mangatany Arivonimamo 161 551 332 ariary
Fanavaozana ny EEM Ambatoharanana 423 500 446 ariary
Fanavaozana ny lalana CUA Antananarivo 849 642 000 ariary
Fametrahana Fitobian'ny fiara anatin'ny CCI Ivato 2 598 348 600 ariary

Lafobe hay ny vidin'ny kifafa!

2018-02-08 @ 00:17 in Ankapobeny

Asa na nampifanandrifiana tamin'ny raharaha 7 febroary 2009 na ahoana fa dia navoakan'ny sasany indray ny fanafintohinana amin'ny fandaniam-bolam-panjakana taona 2016.

Niarahan'ny maro nahita ireo tena niteraka fanafintohinana fa izaho kosa nijery ny rohy hatrany ambany, satria mijotso manko ny maribola ka ny any no heveriko ho tsy dia misy mpahita loatra, vao miakatra any ambony any amin'ny mora tazantsika rehetra. Tsy hilaza izay minisitera aho izany fa anjarantsika tsirairay no mijery sy manamarina hoe taiza sy tao amin'iza no nisy ilay maribola nanaitra ahy. Ataoko hoe nanaitra ahy satria tsy nahazatra ahy ny nahita azy. 


Holazaiko etsy ambany ary ireo nanaitra ahy ireo, izay mety tsy hanaitra anao kosa, hita ao amin'ny rohy etsy ambony:


Kifafa plastika iray sy izay miaraka aminy:  2 347 680 ariary
Kifafa plastika iray hafa sy izay miaraka aminy: 2 673 000 ariary
Milina fitendrena iray:   2 750 000 ariary
kifafa borosy iray sy izay miaraka aminy : 2 800 000 ariary
Flashdisk 4GB iray sy CD imation miisa zato: 2 996 400 ariary 
Wifi dock Modem ZTE MF667 3G iray : 3 000 000 ariary
Taratasy A4, kahie 100p triumph: 3 000 000 ariary
Ranomainty HP61 sy izay miaraka aminy:  3 000 000 ariary
Kifafa borosy iray sy kifafa rasta : 3 000 000 ariary
Loko menaka 30 kg sns: 3 000 000 ariary
Bateria 12V 7Ah iray:  3 126 000 ariary
Kifafa plastika iray sns:  3 376 000 ariary
Solosaina HP iray:  3 405 000 ariary
TONER CANON 719 iray:  3 450 000 ariary
Kojakoja fanadiovana:  3 475 000 ariary
Kojakojam-piara 3 586 000 ariary
Kojakoja fanadiovana voaisa tsara:  3 668 880 ariary
"Rame" taratasy (iray?) sns: 4 000 000 ariary 
Cadenas, lokomenaka 20kg sns: 4 382 000 ariary
fandriana ho an'olon-droa (sy misy rihana):   4 400 000 ariary
Lokorano 20kg:   4 599 960 ariary
Kojakojam-panadiovana tsotsotra: 4 678 000 ariary X2 (aloa amin'olona roa samy hafa tsirairay avy)
Fandriana hazo ho an'olondroa: 4 400 000 ariary
Post-it, kahie roa, parapheur iray sns:  4 800 000 ariary
solosaina dual core iray:  4 950 000 ariary
Ranomainty hp21 iray:  4 999 250 ariary
Vary iray gony 50kg sns:  4 999 250 ariary
Agenda 2017, agrafeuse, agrafe,liqude correcteur, rouleau correcteur sns...: 5 000 000 ariary
Seza 30 isa: 5 250 000 ariary
Rononomandry :  5 380 000 ariary
Solosaina HP iray sns: 6 000 000 ariary
Kojakojam-panadiovana tsotsotra:  7 962 547 ariary
Solosaina iray miaraka amin'ny onduleur: 8 000 000 ariary
Ranomainty HP60 iray sy ribao LX-350 iray sns: 8 000 000 ariary
Toner efatra (karazana):  8 000 000 ariary
Alikaola, betadine sns:   8 984 00 ariary
Photocopieuse iray: 9 500 000 ariary
Kifafa sy kojakojam-panadiovana:  9 919 200 ariary
Moto scooter 49cc iray: 9 950 000 ariary
Kojakojam-piara:  9 982 000 ariary
Bloc note GM iray sns:  10 000 000 ariary
Ranomainty miloko HP60: 10 000 000 ariary
Ranomainty canon miisa 40: 10 000 000 ariary
kojakojam-piara iray: 10 485 600 indroa
Kodiaram-piara iray: 11 000 000 ariary
Frigo mini bar telo:  13 372 200 ariary
Solosaina roa sy imprimantes roa:  14 400 000 ariary
Agenda 2017 sns: 15 000 000 ariary
Kojakoja ho an'ny fiara iray: 19 999 000 ariary
Seza miisa 94:  21 020 400 ariary Efijery telo, mpandrakitra (enregistreur) iray, kitendry roa sy totozy roa, fil RJ45 roapolo:  24 166 000 ariary
Solosaina finday dual core iray sy solosaina iray hafa: 25 000 000 ariary
Ranomainty iray, Flash disk iray sns: 29 936 840 ariary
Ranomainty efatra karazana: 29 999 000 ariary
Photocopieuses valo: 31 533 768 ariary 
Ranomainty efatra karazana: 34 568 000 ariary
Ranomainty HP60 roa (mainty sy miloko): 36 950 000 ariary
Lokorano 20kg iray, lokomenaka 20 kg iray, rouleau fandokoana: 37 000 000 ariary Photocopieuses telo: 37 500 000 ariary
Kojakoja ho ana fiara roa: 37 500 000 ariary
Photocopieuses telo:  39 000 000 ariary
Imprimantes sivy:  39 780 000 ariary
Photocopieuses telo miloko  39 900 000 ariary
30 menottes sy 30 gilets fluorescents: 49 800 000 ariary
Dabilio ho an'olon-droa Harofy iray:  49 875 000 ariary  
Dabilio ho an'olon-droa Harofy iray: 49 999 920 ariary
Solosaina finday folo: 50 000 000 ariary
Kidoro roanjato: 100 000 000 ariary
Kodiarana ho ana fiara iray:  2 320 000 000 ariary
Kojakoja ho ana fiara iray:  7 186 000 000 ariary

Ireo roa farany ireo moa no tena malaza. Raha mazoto hanamarina ianao dia mazotoa indrindra fa lany tamin'io indray aloha ny fotoanako.

 

 

Ilay fandravana ny "ROMANOR"

2018-02-06 @ 21:49 in Ankapobeny

Nasehon'ny tranonkala iray ny fahatongavan'ilay kolonely lasa jeneraly nanao bodongerona namoaka fiarabe nitatitra tany atao fanotofana tao amin'ny fametrahan'ny kaominina fiara tsy nanara-dalàna tamin'izany fotoana izany. "Iraka handrava ity trano ity aho..." no nambaran'ny Jeneraly Joseph Ramiaramanana, araka ny nolazain'ilay tranonkala.

ity moa ny lahatsary iray anisany nampalaza azy...

Mety hiampy araka ny fivoaran'ny toe-draharaha ny rohy apetraka eto...

Soratana ho tadidy - tohiny - 23 janoary 2018

2018-01-23 @ 14:59 in Ankapobeny

Misy tohiny indray ny tantara omaly raha mitsidika iny amin'ny faritra atsimo iny ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nolazain'ny bilaogy iray mpiondana ity filoha teo aloha ity ny tati-baovao avy amin'ny gazety Midi-Madagasikara fa noteren'ny solontenan'ny Faritra Anosy hiala amin'ny efitrano ivahiniany ity rangahy ity. Voalaza tao izay efa nosoratana tato amin'ity sehatra ity, dia ny fanapotehana ny fanamafisampeo sy ny finday mbamin'ny fakantsarin'izay nanaraka ny fotoana tany.


Androany kosa dia nitohy tany Ambovombe Androy ny fitsidiham-paritra sy ny fanakatsakanana avy amin'ny fitondrana. Tsy nahomby ny fanapahan-jiro fa fitaovana fanamafisam-peo efa voafahana no nampiasaina. Nidirana ny trano nanaovana fivoriana. Enjehin'ny mpitandro ny filaminana izay maka sary. Tsy mahazo mivoaka ny fiara misy azy ny filoha teo aloha (efa nisy faritra nanaovana toy izany ihany koa. Temerin'ny fiaran'ny mpitandro ny filaminana akaiky ny fiaran'ny mpitety faritra.

Hevitro manokana, misy ny mihevitra fa azy iny faritra iny ary hanaovany izay isam-bato tiany holazainy handrombahany ny fahefana indray. Izay no mety ho anton'izao antsojay izao

 

Soratana ho tadidy 22 janoary 2018

2018-01-22 @ 17:57 in Ankapobeny

Noraofin'ny mpitandro ny filaminana ny finday sy ny fakantsarin'izay rehetra naka sary ny zavatra nataon-dry zareo tamin'ny fanitsahana ny fanamafisam-peo sy ny fanakanana ny olona tao Tolagnaro, na Fort Dauphin, any atsimo atsinanan'i Madagasikara hihaona amin'Atoa Ravalomanana. Tanora iray no nilaza izany tamin'ireo olona hafa naka sary azy, raha ny fomba filaza dia voaendaka izy ka nolazainy fa any amin'ny kapiteny iray manana ny lazany (atsimo) no maka azy indray raha haka ny findainy izy. Nandalo tany amin'ity faritra ity manko Atoa Ravalomanana Marc, filoha teo aloha, ary karazana fanohintohinana azy no mahatonga izao toe-javatra izao.

Efa ho herinandro koa izay no nalaza ny raharaha Arfa, ilay "gadra nandositra" ka any Frantsa vao nitranga indray, nidradradradra ity ranamana ity fa nandoa vola 70.000 euros tamin'ny minisitry ny fitsarana malagasy sy 30.000 euros tamin'ny tonia mpampanoa lalàna eto Antananarivo, izay samy vehivavy avokoa. Ny minisitry ny fampahalalam-baovao, izay mpanao gazety ihany koa, no niaro voalohany ny minisitra. Rehefa niteny ny amin'ny tsy misy ilaina hihainoana gadra sy mpanao heloka ny filoham-pirenena vao nanoka-bava ny minisitra mpitàna ny tombokasem-panjakana fa hitory ity teratany frantsay ity.

Hetsika vitsy mpahalala?

2018-01-12 @ 18:42 in Ankapobeny

Nivory sy niresaka tamin'ny mpanao gazety ireo mpivarotra manana trano fivarotana eo amin'ny Pavillons Analakely. Fanairana no ataon-dry zareo mba hanesorana amin'izay ireo mpivarotra amorony sy anaty lalana izay mibahana ny mankany amin-dry zareo fa mamono tanteraka ny varotra ataon-dry zareo ireo mpivarotra hafa ireo sady efa manorina trano hazo mihitsy ivarotana. Nolazain-dry zareo ihany koa fa efa imbetsaka nanao antso avo tamin'ny Kaominina ry zareo amin'ny hanesorana ireo mpivarotra mibahan-dalana ireo saingy mbola tsy tontosa izany mandraka ankehitriny.

Ny zavatra iray nahafinaritra ahy tamin'ity raharaha ity dia hita fa te-handala ny maha-renivohitr'i Madagasikara an'Antananarivo ireto nanao antso avo ireto ka tsy tokony isian'ny savoritaka mihitsy. Marina izany. Hamoaka ny hevitro manokana amin'izay aho.

Hetsiky ny saranga antonony ity hetsika ity ka tsy ho zakan'ireo milaza tena ho "madinika" mihitsy. Hetsiky mpandoa hofantrano sy mpandoa hetra, hetsik'ireo miezaka ny haha-ara-dalàna azy fa tsy hihazakazaka amin'ilay fisainana hoe rehefa tsy hiasa ireo dia hangalatra, toy ny hoe miasa sy mangalatra ihany no azo atao eto ambonin'ny tany. Hevitro manokana dia izany hetaheta ivoarana izany indrindra no nifidianan'ny maro an'isa nandatsa-bato teto Antananarivo ny mpitantana an'Antananarivo amin'izao fotoana, saingy tsy afa-manoatra amin'ny tsy fanomezana izay tokony ho anjara volany avy amin'ny fitondrana foibe ka mitady ny fomba maro ahazoam-bola hampiodinana ny asa fitantanana.

Ny hevitro mikendry ny hampisintahana tsikelikely ny tsena ao afovoan-tanàna mba hametrahana azy ireny aty amin'ny tanàna itatra, ivelaran'ny tanàna araka ny tokony ho izy fa tsy ikombonany ao anatin'ny faritra mihiboka sy kely. Mifanindran-dalana izany ny itadiavana ireo toerana ahafahan'ny fiara miantsona sy hamelomana indray ny lalamby hivezivezen'ny olona avy amin'ny tanàna manodidina sy ny tanàna itatra amin'ny ao afovoan-tanàna. Tsy hitako loatra anefa izany fa zavatra hafa no hitako.

Zavatra iray hitako ho fahadisoan'ny Fiadidiana ny tanànan'Antananarivo dia ny fitadiavana ireo toerana malalaka rehetra ao an-tanàna ho lasa toeram-pivarotana raha tsy efa fantatra mialoha ho zaridaina io toerana io na toerana maitso voakolokolo. Gaga anefa ny tena nahita ny fanorenana nataon'ny Kaominina ery amin'ny rond-point avy aty ampitan'ny CENAM mankany Ambodin'Isotry na mankany Ampasika-Itaosy izay heverina ho toeram-pilalaovan'ny ankizy ny ao ambadika fa toeram-pivarotana kosa ny anoloana. Tsy mety mihitsy ny nanaovana ilay fanorenana eo amin'ilay toerana satria takona tsy mahita ireo fiara avy any Ampasika na Itaosy mihitsy ireo fiara avy aty ampitan'ny CENAM, lasa mampidi-doza amin'ny resaka fifamoivoizana noho izany eo amin'io rond-point io raha tsy hoe terena hivily mankany amin'ny lalana mizotra ho any Ampefiloha daholo ny fiara avy any Ampasika rehetra ka miodina eo amin'ilay tetezana voalohany akaikin'ny banky iray (roa ireo) amin'iny lalan'ny CENAM iny.

Tsikera io ary tsikeram-pitiavana satria nandrotsa-bato ho an'ireo mpitantana ankehitriny, sady tsy mbola nanenina tamin'izany noho ny fahavitsian'ny safidy azo natao. Fa araka ny mety ho efa fantatry ny mpamaky dia ny fandaminana ny tanàna ho endriky ny fandrosoana no tadiaviko fa tsy azoazoko loatra ny fanomezana vahana ny "madinika" izay ataon'ny pôlitisiana fitaovana politika matetika ka avela hanao zavatra tsy mampilamina ny tanàna amin'ny arabe ho an'ny fiara misy maotera, ny sisin'arabe ho an'ny mpandeha an-tongotra ary trano mafy orina manara-penitra kosa no ivarotan'ny mpivarotra. Dia mirary taombaovao mahafinaritra ho antsika rehetra.

Jentilisa 12 janoary 2018

Teny anglisy ianarana

2017-11-28 @ 21:05 in Ankapobeny

Miditra amin'ny taimbava manaraka indray amin'ity volana ity. Teny am-pandehanana nankaty amin'itony toerana vahiny itony moa dia nandray fiaramanidina ny tena. Niainga avy tao Ivato nankao Maorisy ihany ny ekipan'ireny zotram-piaramanidina ireny no miresaka aminao amin'ny teny frantsay fa vao zotra niainga nankao Maorisy nankao Dubai dia tsy mahalala afa-tsy teny Arabo sy teny Anglisy ireny ekipa ireny miteny amin'ny mpandeha. Dia ahoana izany raha tsy mahay ireo teny roa voasoratra ireo? Raha miangavy ianao dia mety hahay hamaly amin'ny teny frantsay ihany ny sasantsasany amin'izy ireny. Efa manambola moa ny mpiteny arabo ka dia zony ny manao izay tiany atao amin'ny orinasa ananany, na dia mety tsy hahatratra ny ampahaefany amin'ny mpandeha aza ny miteny arabo dia efa mahazo tombondalana aloha ry zareo fa mahazo izay lazaina. 


Mahita izany toe-javatra izany dia efa iaraha-mahalala ny fihazakazahantsika ray aman-dreny mandefa ny zanatsika any amin'ny sekoly miteny frantsay. Na dia mpandala ny teny malagasy aza aho dia "manaiky tsy fidiny" ny hampiana-janaka amin'ireny toerana ireny. Tahaka ny hoe mihidy aman-trano raha vao teny malagasy no ampianarina ny zaza vao miditra amin'ny teny frantsay, fa ny fandalako ny teny malagasy tsy midika velively fa hotsipahako ny fampianarana ny zanako teny frantsay, fa ny tena tsara, raha mbola azo atao ihany koa dia ny mampianatra teny anglisy ny zaza sady mampianatra azy araka ny tokony ho izy. Mitanila fotsiny ny varavaram-pisokafana raha teny frantsay no haintsika fa misokatra tsara kosa raha teny anglisy no ianarana, fa rehefa sehatra iraisampirenena dia ny teny anglisy ihany aloha no ifandraisan'ny olona voalohany. Na mety tsy hisy anglisy aza ao amin'ilay toerana rehefa misy mpiteny anglisy ao dia mirona mankany ho azy ny fitenenana io teny iramisampirenena io.


Ny vato misakana amin'io fampiasana ny teny anglisy io anefa dia ny  fomba fampianarana ilay teny. Mety mahalala voambolana maro isika fa rehefa tsy eo ny lantom-peo dia sahirana hatrany ny mpihaino amin'izay lazaina rehefa tsy mifanaraka loatra amin'io lantom-peo io ny ilazanao azy. Be anefa ireo lazaina ho mpampianatra teny anglisy (indrindra fa ny  eny amin'ny sekolim-panjakana) amin'izao fotoana izao no mbola manana olana ihany amin'io teny io eo amin'ny lantom-peo ilazana azy. Rehefa atao zany ny mampianatra ilay teny iraisampirenena dia tsy ilay teny sy ny vombaolana ihany no mahamaika fa ilaina dia ilaina ny mampianatra ny ankizy hiteny  lavalava amin'ny lohahevitra iray na maromaro dia mba mety tsy ho sahirana isika amin'ny fitenenana azy haingana sy tsy dia misy diso loatra. Mbola lavitra ny fanamperana aho raha amin'ny fitenenana teny anglisy fa na izany aza rehefa hampiana-tena na hampiana-janaka hiteny ka misokatra amin'ny hafa dia ny teny anglisy no tsara ianarana voalohany.


28 novambra 2017

 

 

Fandalovana an'i Dubai

2017-11-27 @ 19:27 in Ankapobeny

Nandalo tao Dubai ny tena raha hizotra ho aty amin'ny Vovonana Global Voices 2017 izay tontosaina eto Colombo, Sri Lanka. Mba be menomenona ery isika amin'ny fitohanan'ny fiara isaky ny maraina ao an-drenivohitra ao, ary anisan'ny lohany ny tena. Fa teto kosa ry zareo! andro amin'ny fito maraina ora ao an-toerana , amboteiazin'ny fiara mitatitra ny entan'ny mpandeha sy ny fiara mitatitra ny olona hiditra ao anaty fiaramanidina no mafotaka, amboteiazy ao anaty seranam-piaramanidina  "Terminal 3". Olona re izao! entana re izao! fiara re izao! raha izany angamba no ao Madagasikara dia horakoraka ny an'ny Malagasy hoe "ialahy aza tsy manana" saingy nofy izany hatramin'izao fotoana anoratana izao.


Ilay seranam-piaramanidina fotsiny dia efa goavana, nataony nahita mihitsy hoe efa ho 20 minitra eny an-dalana hatrany ao anaty fiarabe avy eo amin'ny vavahady B4 fidirana ho any anaty fiaramanidina, tsy mandeha mafy kosa nefa na izany aza! Ilay seranam-piaramanidina sy ny manodidina  azy ihany koa tsara rafitra natao hampiderana ny rentirentin'i Dubai sy ny fandrosoany, nefa dia fotoana vitsy no nahavitany izany tanàna izany. Be ery isika mimenomenona amin'ilay malaza fa misy Malagasy mpanao politika malaza hoe mipetraka aty fa tena ahitana ny fandrosoan'ny olona ilay toerana. Na dia toerana mahatamana sy tsy azo lavina ho lafo fiainana aza ao dia tsotra ihany no ambara ho antsika Malagasy: Manaova raha mahavita!


Jentilisa 27 nov 2018

 

 

Fiara Karetsaka

2017-11-17 @ 17:27 in Ankapobeny

Raha niezaka ny hamita ity vary mangatsiaka ity aho dia nampiasa ny teny hoe karetsaka na ikaretsaka, teny mahagasy fahiny mbola miasa ankehitriny fa amin'ilay dikany iray monja. Fantaro ho an'izay tsy mbola mahalala fa efa nametraka anarana alika ihany ny Malagasy fahiny, tsy milou na bobby no anarana nalaza fa ikaretsaka, nahoana no izay anarana izay? Noho ilay anarana natao hiambina na hidim-baravarana ve? Tsy izay ihany fa ilay afa-mivezivezy na mikaretsaka mety ho azo adika hoe 'vas et viens' araka ny tenintsika malagasy ankehitriny.

Dikany ihany koa ilay hoe mivezivezy haingana, tonga haingana any amin'ny toerana andehanana... avy amin'izany no nahatonga ny taxi hanana anarana hoe fiara karetsaka, mahatonga haingana amin'izay aleha, fa tsy hoe karetsaka ny hidim-baravaran'ilay fiara... Tadidio izay dikany faharoa izay.

 

Angon-kevitra Raharaha Mafana Aogositra 2017

2017-08-31 @ 08:07 in Ankapobeny

Noho ny fivoahan'ny hevitra ao amin'ny media sosialy dia toy ny nitsaha-ketrika ny taty amin'ny bilaogy. Fantatsika rehetra anefa fa mora tsy hita izay hevitra mivoaka ao amin'ny Facebook ohatra. Fantatsika fa navoakantsika ilay hevitra, nefa mety tsy ho hitantsika intsony izay nalehany. Tsy dia mety eo amin'ny fandraketana ny tsiaron'ny tantara izany anondroana fa tsy azo tsinontsinoavina hatrany ny bilaogy, izay mahatahiry ny zavatra tokony hotehirizina amin'ny ankapobeny.

Maro ny zava-nitranga teto amin'ny firenena tamin'ity volana ity, saingy toy ny mahazatra dia tsy nisy tohiny ireo rehetra mahaliana sy nahabe resaka ny besinimaro. Ohatra iray amin'izany ny nahatrarana fahitalavitra manify efijery miisa 1400 mahery naondrana teto Madagasikara nefa nolaingana ho lamba ireo fahitalavitra ireo. Raha ny fahafantarako azy dia toa miditra maimaim-poana amin'izao fotoana ny lamba fripy, dia izay no anararaotan'ny sasany tsy te-handoa haban-tseranana ho lamba fripy ireo entana hafa mandoa haba mihoam-pampana. Ny zavatra toy izao no mampanontany tena amin'ny fiarovana ny mpanitsakitsaka ny lalàna. Rehefa ny olon-tsotra no voampanga dia aranty ny sary fa ny masony ihany no afenina, dia izay mety ho mahafantatra azy ihany no mahafantatra, saingy matetika dia mivoaka an-gazety ny anarany. Fa rehefa ny goavana kosa no tratra amin'ny hosoka ataony dia tsy misy na inona na inona ahafantarana ilay nandika lalàna. Ny mpanara-baovao anefa dia mahita any amin'ny firenen-kafa ireo fahatafintohinana mahazo ireo orinasa goavana toy ny Samsung rehefa tratra nanao kolikoly ry zareo. Avoaka mihitsy ny anarany mba tsy ahafahany mibolilalila sy tsy ahafahany manindry avy any ambadika hanery ny hafa tsy hamoaka ny anarany. Volabe tokony hiditra amin'ny fanjakana hampiodinana ny raharaham-panjakana ihany koa izany.
 
Fa ny eto amintsika kosa, raha ny fijery azy sy ny tsy fahafantarana ny tohiny intsony, dia toy ny hoe (averina tsara hoe toy ny hoe) andrasana fotsiny ilay orinasa handoa ekôlazy, vola miditra amin'ny mpiasam-panjakana ambony afaka mamaha ny raharaha izany fa tsy misy vola miditra amin'ny fanjakana kosa na raha misy dia kely monja. Vola mazava loatra fa ambany noho izay tokony aloany saingy tsy kely  fa mampanankarena kosa izay mandray azy. Dia raha mbola minia mikimpy tsy mety mandoa ilay orinasa vao mety (fa tsy voatery) havoaka ny anarany, saingy raha ny fahamailoan'ny mpanao bizina dia heveriko fa voaloa haingana ny vola dia samy mangina ny rehetra. Afa-mivoaka tsy misy raorao mankany amin'ny nanafatra azy ny fahitalavitra ary afa-po ilay na ireo mpiasam-panjakana nahazo ny vola. Hevitra sy ahiahy ireo ambarako ireo fa tsy voatery izay no marina, fa ny hany takiana dia hoe rehefa ny goavana rangahy no tratra tahaka ireny dia ambarao ilay orinasa na dia mety ho orinasa anarany fotsiny iafenan'ny orinasa tena nanao azy aza ilay izy farafaharatsiny a! Raharaham-bahoaka ireny tokony ho tafiditra any amin'ny volam-panjakana fa tsy lasa volan'olon-tsotra manana toerana ambony eto amin'ny firenena.

Ny zavatra faharoa tiako lazaina indray dia ny raharaha famonoana ilay kaonsilin'i Malezia (teo aloha?) sady tompon'ny orinasa Z&Z Center ihany koa. Misy ny mieritreritra fa mety misy ifandraisany amin'ny raharaha voalaza etsy ambony ity raharaha iray ity, nefa tsy voatery ho izay. Misy ihany koa ny mieritreritra fa "reglements de comptes" amin-dry zareo samy karana, na samy manambola, na samy "jiolahy" iny raharaha iray iny. Misy manko ny manaparitaka fa sady efa niharan'ny fakana an-keriny izy no efa voaroiroy ihany koa amin'io fakana an-keriny io ihany koa... izay no mahatonga ilay eritreritra hoe misy fifamaliana faty angamba ao ambadika ao.

Fa ny isarihana ny sainao kosa dia ilay filazana hoe "kaonsily honorera", betsaka amin'ny mpandraharaha be vola eto an-toerana no naka io "voninahitra" ho  "kaonsily honorera" io indrindra fa nanomboka tamin'ny taona 2009. Toy ny hoe mahazo tsi-fisaziana maha-diplaomaty rehefa mahazo io voninahitra io ka afaka manafatra "entana diplaomatika" nefa mifandraika akaiky amin'ny fihariana atao izany ary tsy azo melohina eto amin'ny firenena raha tratra manao fahadisoana. Maka fiarovantena mety hanohintohina fifandraisan'ny firenena roa tonta ry zareo raha sanatria misy mikitikitika an-dry zareo. Mihamivoatra ny fiarovan-tenan-dry zareo nefa tsy mitodika loatra any amin'ny tombontsoan'ny Malagasy izany araka ny fijeriko manokana. Izay zava-droa loha izay ihany no resahina aloha fa efa lava dia lava mety ho tsy voavakinareo intsony aza izay voasoratra izay.

Jentilisa, 31 aogositra 2017 amin'ny 08:05

Mpitandrina Maty Nisolo ny Toerany

2017-07-04 @ 23:49 in Ankapobeny

Nivoaka tao amin'ny tambajotra sosialy Facebook, ny alin'ny fetim-pirenena fa hijoro vavolombelona tamin'izay nitranga ny andron'ny 20 mey 2010 teny amin'ny Mausolée ny iray amin'ireo nitarika ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana tamin'izany fotoana izany, ary mandritra ny fotoam-pivavahan-karivan'ny 2 jolay 2017 no hanatanterahana izany fijoroana vavolombelona izany. Niteraka resabe izay tsy dia ivalamparana eto moa io sata tamin'ny Facebook io. Ny tena niteraka ny tsikera dia ny hoe hanafangaro ny politika sy ny fivavahana izany fijoroana vavolombelona izany ka te-hanandra-tena ilay olona.

Na dia tsy tokony ho afaka tamin'izany fotoana izany aza ny tena dia niezaka manokana satria ny andro alahady hariva, manomboka amin'ny 5 ora hariva ny fotoana teny amin'ny FJKM Atsimon'Imahamasina, nefa ny tena lavi-podiana, 17-20 kilaometatra miala ny garan'Isoarano. Lavitra izany ho an'ny eto Madagasikara na dia iakarana sy idinana miasa mankao an-drenivohitra isan'andro aza.

Aleo tsorina fa efa tsy nanampo hahatratra ilay fijoroana vavolombelona ny tena satria tamin'ny enina latsaka fahefany vao tonga tao am-piangonana. Efa tao anatin'ny fanazavana ny lohahevitra (izay miompana amin'ny Fanahy Masina, Ny Fanirahana ary ny Fijoroana Vavolombelona angamba) banjinin'ny FJKM mandritra ny volana jolay 2017 ny mpitandrina Ranaivoniarivo Tiana Alisoa. Nifandraika loatra tamin'ny zavatra niainany sy niainan'ny fiangonana ilay lohahevitra ka izany angamba no nahatonga azy hanoratra sy hampilaza mialoha tao amin'ny Facebook.

Mariho fa noho ny fahatarako dia tsy mahafantatra izay mety ho fepetra mialoha aho hoe azo raisim-peo sy sary ve ny fotoana, fa ny nataoko aloha dia naka sary aho satria efa nisy ireo hafa naka sary. Azo lazaina ho diso fanantenana ireo nieritreritra hihaino ilay fijoroana vavolombelona ka tsy nialohavana famelabelarana ny tenin'Andriamanitra momba ny Fanahy Masina, na Fanahin'Andriamanitra izany. Ireo mpanao gazety no tena tiako lazaina amin'izany. Rehefa manaraka ny fotoana dia hita fa mirafitra tsara ao anatin'ny famelabelaran-kevitra momba ny tenin'Andriamanitra ilay izy. Mariho ihany koa fa voatery nivoaka nody amin'izay aho tamin'ny fito hariva, satria nangala-dia aho, nefa mbola tsy tapitra ny famelabelarana tamin'izany fotoana izany.



Maro ny zavatra voatantara tao fa ireto ihany aloha no avoakako, dia hotohizana sy hatevenina raha mahaliana anareo ilay izy:

  • Voalohany, tsy resaka 20 mey ihany no notantaraina tao fa misy zavatra hafa ihany koa, toy ny toerana nanirahana azy amin'ny maha-mpitandrina.
  • Faharoa, noho ny fitaka nahazo ireo niambina ny fananan'ny FJKM ... avy amin'ny mpitondra ambony tao amin'ny FJKM mba hisakafo kely, nanararaotana nakana ireo fitaovan'ny fiangonana no nitsirian'ny hevitra hananganana ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana na HMF. Ny tanjon'ny HMF izany dia ny hiaro ny fananan'ny fiangonana manoloana ny mpandroba sy hiaro ihany koa ny fiainam-panahin'ny fiangonana. Raha mahatadidy ny mpamaky dia efa nanao fanazavana lava momba io halatra fitaovan'ny fiangonana io sy ny nipoirany teny amin'ny toeran-kafa aho, teny Ankatso izany.
  • Fahatelo, noho ny fifandisoana anarana sy fampitam-baovao miafina (renseignements) dia ny mpitandrina Ranaivo Rivo Arson indray no notifirin'ny sniper sy maty raha tokony ho izy Ranaivoniarivo Tiana Alisoa no notifirina tanaty sahotaka.

Izay ihany aloha fa efa lava sahady ny resaka, dia amoahana lahatsoratra hafa indray raha misy mahaliana anareo.



Jentilisa, 4 jolay 2017

Niova ny mpitantana ny zandary!

2017-04-20 @ 23:13 in Ankapobeny

Tsy mpanaraka vaovao loatra intsony, indrindra fa ny vaovao eto Madagasikara, saingy misy hatrany ny hevitra manokana isaky ny zavatra mitranga mba hitan'ny maso. Tamin'ny faran'ny volana marsa sy ny fiandohan'ny volana avrily ny tena nahita ny fanadiovana lalana manodidina ny zaridainan'Ambohijatovo sy ny fanapahana ny bozaka lava tao amin'io zaridaina io ihany. Ny vaovao no nahitana fa hatreny Anosy sy manodidina ny kianjan'i Mahamasina no nanaovan-dry zareo izany fihetsika izany. Andron'ny Zandary, hono, ireo andro ireo. Izaho kosa nahita zavatra hafa tao ambadik'izany ary mety ho nitovy hevitra tamin'ny tena ihany koa ny ao amin'ny governemanta matoa nanao io fanovana ny sekreteram-panjakana misahana ny zandary io.


Ny voamarika voalohany ary dia ny toerana nanaovana ny asam-panadiovana: Ambohijatovo, Anosy sy Mahamasina. Toerana afovoan-tanàna efa nitrangana fivorivorian'olona ireo toerana ireo ary ny kianjan'ny 13 mey irery ihany no tsy tafiditra. Angamba tsy natao intsony ity farany ity satria efa nosoloina dobon-drano ny toerana nahafatesan'olona voalohany indrindra tamin'ny tolom-bahoaka teto Antananarivo hatramin'ny nahazoana ny fahaleovantena, niampy fantsitsitran-drano izany. Manaraka izany ihany koa, tsy fandiavan'olona mandeha tongotra loatra intsony koa io toerana io ary efa madio hatrany amin'ny ankapobeny ka tsy mila diovina intsony. Ankoatra izay dia efa nanaovana fivoriana politika na fanarahana toe-draharaha indrindra ireo toerana voatonona ireo.


Heverina noho izany fa misy sariohatra napetraky ny zandary na ireo mpitarika azy ny nisafidianana ny fanadiovana ireo toerana roa ireo ary nanamafy ny hevitro ny tohin'io asam-panadiovana io. Nitranga ny "Raharaha Claudine" notarihan'ny BIANCO izany niafara tamin'ny fampandosirana any ivelan'ny firenena ilay ramatoa noampangaina tamin'ny raharaha fanodikodinam-bola maro teto Madagasikara. Raha nanandratra ny nataon'ny BIANCO ny maro, izaho kosa toa nanao antso an'efitra raha nilaza fa tsy nahavita na inona na inona ny famotorana nataon'ity Birao Miady amin'ny Kolikoly ity raha tsy nisy ny rantsana mpampihatra ny lalàna dia ny Zandary ihany, nomarihako mazava tao amin'ny Facebook io ho an'izay namana na manaraka ao amin'io tambajotran-tserasera io. 


Mariho fa raha nitondra olona teny amin'ny BIANCO ny Senatera Riana Andriamandavy VII dia ny zandary irery no niambina ny vavahady tsy idiran'ireo tangoron'olona ireo ny Birao. Tsy afa-nanamarina na nandiso izay nitondra ilay ramatoa ho eny amin'ny HJRA indray aho rehefa nodidian'ny CPAC hotazonina vonjimaika eny Antanimora Rtoa Claudine fa no nolazain'ny mpitati-baovao dia hoe EMMOREG no nitari-dalana azy. Dia jereo ihany koa ny ny Polisy misahana ny Sisintany, fa tsy ny Zandary, no nanoha-riana nilaza andro vitsy taorian'ny fampandosirana an-dRtoa Claudine fa ara-dalàna tsara ireo taratasy nahafahana nandefa azy hivoaka an'i Madagasikara. 


Koa aza atao mahagaga raha nisy ny fanovana ny mpitarika voalohany ny zandary teo anivon'ny governemanta satria mahafantatra tsara ny loza mitatao aminy nanoloana ny fiaraha-miasan'ny BIANCO sy ny Zandarimaria ny mpitondra amin'izao fotoana izao. Ho hitantsika eo izay hataon'ny Zandary amin'izao fanovana ny mpitarika azy izao sy ny fitohizan'ny fiarahan'ny BIANCO sy ny Zandary miasa. Eritreritra mba mandalo, efa tokony nosoratana hatry ny nahitana voalohany ny fanadiovana nataon'ny zandary fa niova mpitondra ry zareo vao tery hanoratra fandrao mandalo tsy misy mahita ny zava-nitranga teto amin'ny firenena mba tsikaritry ny tena.


Jentilisa, Isahafa 20 avrily 2017 amin'ny 11 ora sy 11 minitra alina.

 

Ny tantaran'ny fetin'ny lainga na ny "poisson d'avril"

2017-03-28 @ 16:30 in Ankapobeny

Tsy dia mazava loatra ny nahatonga ity fety ity ka tombatombana avokoa ny zava-drehetra. Tombana iray no soratako etoana. Teo aloha, tany Eoropa, dia maro ireo tanandehibe nankalaza ny taombaovao ny 1 marsa na 25 marsa na 1 avrily. Tamin'ny taona 1564 no nanapahan'ny mpanjaka frantsay Charles IX fa manomboka io taona io dia 1 janoary indray no ankalazana ny taombaovao fa tsy andro hafa voatonona etsy ambony intsony. Nodidian'ny Papa Grégoire XIII hampiharina amin'ny tontolo kristiana rehetra izany tamin'ny taona 1582.

Maro no sahirana tamin'io fanovana andro taombaovao ka nanohy nankalaza ilay "taombaovao taloha". Tombana iray tao anatin'ny maro ihany io nolazaiko io... Fa raha mahamarika ianareo dia efa nanomboka niala tamin'ny vanim-potoana antenantenany i Eoropa ka niditra tamin'ny vanim-potoana maoderina.

Koa raha miverina eto Madagasikara aho dia lasan'eritreritra hoe... sao hiverina amin'ny vanim-potoana antenantenany isika ary hiala amin'ny vanim-potoana maoderina. Fa resaka tsy misy dikany izany ry zareo fa ankalazao ny fetinareo a! Mirary soa!

Vaovao tselatra 23 oktobra 2016 amin'ny telo maraina

2016-10-23 @ 07:44 in Ankapobeny

Hatreto, nanomboka alakamisy alina ka hatramin'ny asabotsy, tapaka jiro tanteraka ny tanànan'Ambositra iray vohitra, araka ny fitarainan'ny mpiara-miasa amin'ny tena. Tsy fantatra moa izay tena zava-misy: izay tokoa ve no izy? Aiza tokoa moa ny olona tapaka jiro no afaka mampita ny fitarainany rehefa tsy misy ny herinjiro hamelomana vatoaratra ohatra?


Mariho fa efa nisy tranga tahaka izao ihany koa ny faritra Analavory, Imerintsiatosika ary Tsiroanomandidy tany alohaloha tany. Tsy mampino anefa izay zava-misy izay. Tsy mahagaga raha nisy ny fitroarana tany Farafangana tany ka nandoroan'ny olona ny biraon'ny JIRAMA. 


Tezitra tamin'izany fandoroana fananana izany ny ankamaroan'ny olona, eny fa na izaho izay manoratra io aza, saingy tsy hainao ary tsy takatrao ny zavamisy iainan'ireo mponina ireo mahatonga an'izany fanapahan-kevitra faratampony izany. Fantatry ny mpitondra tsara izany fahatezerana izany ka nahatonga ny fandefasana mpamelona angovon'aratra tany an-toerana. Rehefa mandoro fananana ve ny olona vao mikorapaka?


Manoratra aho satria alina fanindroany izay no tapaka maharitra ihany koa ny jiro eto amin'ny misy ahy eto  Antananarivo renivohitra. Ny resaka nifanaovako tamin'ireo izay nifampitafa tamiko any  amin'ny toeran-kafa ato anatin'ny Kaominina ihany no nahafantarako fa faritra maro no miaritra izany tsy fisian-jiro maharitra amin'ny alina izany.

 

Ny Zoma maraina tamin'ny efatra ora, no niainako ihany koa ny fitarainan'ny olona tamin'ny radio hoe rehefa tapahana dia tapaho tanteraka fa aza velomina telo segondra dia vonoina iray minitra dia velomina telo segondra dia vonoina iray minitra misesisesy fa tamin'ny dimy maraina vao novonoina tanteraka tsy niverina intsony ary tsy fantatro izay ora niverenany fa lasa niasa aho.


Manoratra ihany koa aho, satria tapaka hatramin'ny 3G (fanaovako avotra farany hiseraserana ankoatra ny ADSL fampiasa) amin'izao fotoana anoratako izao... Toa zary karazana fanampenam-bava izato izy, ary fanelingelenana tanteraka amin'ny asa mifandraika amin'ny aterineto... milaza fa tena tratra aoriana tokoa isika ary voasembantsembana ihany koa ny hoavin'ny asa fihariana. Raha tsy tsapanao ny halalin'ireo resaka ataoko ireo dia aza gaga raha mahita ireo hadalana ataon'ny Malagasy malaza ho hendry sy tia milamina tsy tia korontana.

Ny Tondro Mo Ibrahim 2016 sy i Madagasikara.

2016-10-09 @ 16:15 in Ankapobeny

Nivoaka tamin'ny 3 oktobra tany Londra renivohitry ny Fanjakana Mitambatra ny tatitry ny Tondro Ibrahim Mo taona 2016 manadihady ny fahaiza-mitantana eto Afrika amin'ny ankapobeny. Voalohany amin'izany i Maorisy manana ny isa 79,9 ary nitombo isa +2,3, faharoa kosa i Botswana manana isa 73,7 (-0,5) ary fahatelo amin'ny isa 73,0 (+1,9) kosa i Cap Vert.  Nasongadin'ity tatitra ity fa i Cote d'Ivoire no nahazo isa be indrindra tamin'izany (+13,1), arahin'i Togo (+9,7) sy i Zimbabwe (+9,7), ary i Liberia (+8,7) sy i Rwanda (+8,4).  

 
Araka io tondro navoakan'ny Orina Mpanasoa Ibrahim Mo io dia mitana ny laharana faha-33 mitovy amin'i Togo i Madagasikara amin'ny firenena 54 nampilaharina amin'ny isa 48,5 ary very 7,6 isika amin'izany fampilaharana izany eo amin'ny sehatry ny fitantanam-panjakana ankapobeny eto Afrika hatramin'ny nanombohan'ny fanangonana lahatahiry tamin'ny taona 2006. I Libya no nanary isa be indrindra teo amin'io fitantanam-panjakana io, satria very 18 isa be izao, i Libya izay fantatsika fa nopotehin'ny firenena tandrefana tanteraka, ary lohalaharana amin'izany i Frantsa nentin'i Sarkozy. Firenena faharoa nanary isa be indrindra manaraka azy kosa i Madagasikara amin'ny isa 7,6 be izao, izay firenena "tsy nisy ady" akory.

Afa-baraka tanteraka isika eto Madagasikara!

Filaminana sy Fanjakana Tsara Tantana

Eo amin'ny filaharana ankapobeny dia i Botswana no mitana ny laharana voaohany amin'ny isa 81,9 ary very isa (-1,1) izy amin'izany. Maorisy kosa no mitana ny laharana faharoa amin'ny isa 80,8 (-0,3) ary i Cap Vert no mitana ny laharana fahatelo amin'ny isa 77,1 (-2,3). Araka ny tatitra dia nihemotra avokoa tsy misy anavahana ireo firenena rehetra tratran'ny fihemorana araka ny isa azo eo amin'ny sehatry ny Filaminana sy ny Fanjakana Tsara Tantana.

Cote d'Ivoire (+17,3) manana isa 55,1 sy Liberia (+14,8) manana isa 57,2 ary i Sierra Leone (+9,6) manana isa 59,9 no telo voalohany nahazo isa tsara indrindra tao anatin'ny folo taona. Libya kosa no very isa be indrindra (-34,1) manana isa 16,3 arahin'i Repoblikan'i Afrika Afovoany (-16,2) manana isa 15,7 sy i Burundi (-12,0) manana isa 32,6.

Sokajy Fiarovana ny olon-tsotra

Roa ny refy napetraky ny Afrobarometer momba ity fiarovana ny olon-tsotra ity, eo amin'ny fisian'ny heloka bevava eo an-toerana sy eo amin'ny manodidina. Nahitana fihatsarana izany tamin'ny ankapobeny tao anatin'ny folo taona. Laharana faha-40 no misy an'i Madagasikara (-15,3) manana naoty na isa 37,8/100. Ataoko fa manaiky tsara izany tatitra izany isika na dia tsy haintsika aza ny fomba fandrefesana nataon-dry zareo.

Laharana faha-28 no misy an'i Madagasikara eo amin'ireto sehatra roa ireto, amin'ny isa 55/100 ary very isa 8,3 kosa hatramin'ny nanombohan'ny fanangonana lahatahiry tamin'ny 2006. 

Sokajy Fiarovam-Pirenena

Firenena 30 no nahitana fihemorana teo amin'ity sokajy ity ka i Libya (-54,7) no nihemotra indrindra tamin'izany, arahin'i Nigeria (-28,6) sy i Ejipta (-27,2). Firenena 20 kosa no nahitana fihatsarana tamin'izany ka Ongadà (+29,8) sy i Liberia (+29,0) no nihazakazaka indrindra ho amin'izany amin'ny fitomboan'isa ambany kely noho ny +30. Ny fidiran'ny governemanta amin'ny fifanandrinana mitam-piadiana sy ny herisetra ataon'ny mpiantsehatra tsy miankina amin'ny Fanjakana no tena miteraka izany fiharatsian'ny fiarovam-pirenena izany.

Laharana faha-20 amin'ny naoty 86,4 no misy an'i Madagasikara (-9,3) eto amin'ity sehatra ity.

Sokajy Tamberin'andraikitra na Mangarahara (Accountability)

Ny mangarahara ho ahitana ny naoty ambany indrindra ankapobeny (35,5/100) amin'ireto zana-tsokajy tantaraintsika ireto ary nahitana fiharatsiana (-1,0) ihany koa tao anatin'ny folo taona. Ny anton'ny fihemorana amin'ity tamberin'andraikitra ity manerana ny kaontinanta dia vokatry ny fihasimban'ny tondro valo andrefesana azy: Kolikolin'ny Fanjakam-birao (-8,7), Kolikoly ataon'ny manampahefanan'ny Governemanta sy ny mpiasam-panjakana (-2,8), kolikoly any amin'ny sehatry ny famotorana (-1,9), ny tamberin'andraikitra ataon'ny Manampahefana ara-panjakana (-1,1) ary ny fanodikodinana ny Vatsim-Panjakana (-0,3). 

Laharana faha-26 i Madagasikara (-8,3) amin'ny isa 36,3/100. Madagasikara (-78,1) ihany koa no nahitana fiharatsiana indrindra eo amin'ny sehatra iadiana amin'ny kolikoly tao anatin'ny folo taona. 

Sokajy Fampiharana ny lalàna

Firenena 33 no nahitana fihatsaran'ny fampiharana ny lalàna hatramin'ny taona 2006. Nijotso ny mason-tsivan'ny Fanasaziana (-5,5), ny Famindram-pahefana (-3,7) ary ny Zo hanam-pananana (-2,3) raha nisonga kosa ny Fombam-Pitsarana (+5,3) sy ny fahaleovantena ara-pitsarana (+4,3) tao anatin'ny folo taona. Firenena 34 no nisitraka izany fahaleovantena ara-pitsarana izany ka i Maorisy (94,6), Afrika Atsimo (93,9) ary i Namibia (92,9) no tsara toerana indrindra sady nivoatra indrindra tamin'izany.

Laharana faha-16 (59,4/100) no misy an'i Madagasikara (-0,7) eo amin'io fampiharana ny lalàna io.

Marihin'ny tatitra fa ahitana fifandraisana eo amin'ny Filaminana sy ny fampanjakan-dalàna sy ny fahafahana mirona mankany amin'ny fanorenana toekarena maharitra. 


Ny Fandraisana Anjara sy ny Zon'olombelona

Ny 78 isanjaton'ny Afrikana no monina any amin'ny firenena nahitana fihatsarana tao anatin'ny folo taona ny Fandraisana Anjara sy ny Zon'olombelona. Firenena 37 no misitraka izany. I Tonizia (+22,4) no nahitana fihatsarana indrindra mitana amin'izany. Cap Vert (+0,6) no lohalaharana amin'ny naoty 82,0/100 arahin'i Namibia (+0,6) amin'ny isa 76,1/100 sy Maorisy (+0.8) amin'ny naoty 76,0/100. Mitana ny laharana faha-13 kosa i Madagasikara (+0,1) amin'ny isa 64,7/100.

Laharana faha-18 (65,9/100) i Madagasikara (-0,1) eo amin'ny sokajy fandraisana anjaran'ny olom-pirenena ahitana ny mason-tsivan'ny zo ara-politika, fandraisana anjara ara-politika, fifidianana malalaka sy ara-drariny, ary ny fananan'ny eo amin'ny fitondrana fahefana hitondra.

Laharana faha-21 (52,5/100) kosa i Madagasikara (-10,7) eo amin'ny fampanajana ny zo, fahaefatra niharatsy isa indrindra. Mason-tsivana nahitana fijotsoana ankapobeny eo amin'ny sehatra afrikana ny Fahafahana ara-tsivily (-5,1), ny fahafahana hivory sy hanangana fikambanana (-4,4), ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona (-4,3) ary ny fahafahana hiteny (-2,7).

Nahitana fihatsarana kosa teo amin'ity fampanajana ity zon'olombelona ity na dia mbola ambany aza naotiny azony i Tonizia (+26.3), arahin'i Côte d’Ivoire (+19.3), Zimbabwe (+16.3), Guinea-Bissau (+14.8), Togo (+12.5) ary i Nizera (+10.7).

Laharana fahaefatra (75,7/100) mitovy amin'i Cap-Vert (+2,1) kosa i Madagasikara (+13,9) eo amin'ny miralenta na fampitoviana ny zon'ny lahy sy ny vavy. I Rwanda kosa no sady nahitana fihatsarana indrindra (+24.6) no tsara naoty indrindra (90.3/100) manerana ny kaontinanta. Ny fihatsarana amin'ny ankapobeny dia avy amin'ny Fitoviana lenta eo amin'ny toeram-piasana (+11.5) sy ny lalàna eo amin'ny herisetra atao amin'ny vehivavy (+9.5).

Fahafaha-manorina Toekarena Maharitra

Nahitana fihatsarana ny Fahafaha-manorina Toekarena Maharitra (+1.8) taona anatin'ny folo taona saingy mbola ambany ihany ny isa ankapobeny eo amin'ny Afrikana 42.9/100. Nihatsara ny fotodrafitrasa (+6.5) sy ny sehatr'asa ambanivohitra (+2.6), raha nijotso kosa ny Tontolon'ny Fihariana (-0.8) sy ny Fitantanam-Panjakana (-1.1). Firenena 38 no nahitana fihatsarana eo amin'ny Fahafaha-manorina Toekarena Maharitra ka i Maraoka (+13.0) no firenena nahitana fivoarana indrindra, arahin'i Nizera (+10.8) sy i Ejipta (+10.7).

Libya (-22.4) kosa no nahitana fiharatsiana indrindra, arahin'i Madagasikara (-9.8) sy i Eritrea (-5.6). Laharana faha-41 isika amin'ny isa 33,1/100. Faha-49 isika (16,6/100) eo amin'ny fananganana sy fikojakojana fotodrafitrasa (-7.1).

 

Faha-44 i Madagasikara (-8.8) eo amin'ny fitantanan-draharaham-panjakana (34.1/100). Na dia mbola mitana ny laharana faha-40 koa aza dia i Madagasikara (-21.7) no niharatsy toerana indrindra teo amin'ny tontolom-pihariana (28,2/100), Madagasikara (11.2/100) kosa no ratsy toerana indrindra teo amin'ny famoronan'asa, arahin'i Zimbabwe (14.6), Tonizia (19.8), Cap Vert (22.6) ary i Sierra Leone (23.0).

Laharana faha-25 (53,6/100) i Madagasikara(-1,3) eo amin'ny sehatra ambanivohitra

Fampivelarana ny maha-olona

Ny fampivelarana ny mahaolona no nahitana naoty tsara indrindra teo amin'ny sehatra Afrikana amin'ny ankapobeny. Firenena 43 no nisy fivoarana tao anatin'ny folo taona ary mahasahana ny 87 isanjaton'ny olompirenena afrikana izany. Voalohany (84,2/100) i Seychelles (+5.2), arahin'i Maorisy (83,7/100) (-0,8) sy i Botswana (78,5/100) (+3,9). I Rwanda kosa no nihatsara fampivelarana mahaolona indrindra (+14.4), arahin'i Ethiopia (+13.9) sy i Angola (+11.2). Madagasikara (41,1/100) faha-50 kosa no faharoa avy any amin'ny farany (-13,5) manaraka an'i Libya (58,1/100) faha-19 eo amin'ny fiharatsian'ny (-15,7) fampivelarana ny mahaolona.

 

Faha-39 (38,4/100) i Madagasikara (-3,5) eo amin'ny fanabeazana raha nahitana fihatsarana teo amin'io lafiny io ny firenena 41. Faha-51 (49,6/100) i Madagasikara (-20,5) eo amin'ny sehatry ny fahasalamana ary nahitana ny fiharatsiana indrindra tamin'izany. Faha-45 (35,3/100) i Madagasikara (-16,5) eo amin'ny fanasoavana (Welfare/Bien être) ary mbola mitana ny telo farany amin'ny fiharatsian'io tontolo io.

Toy izay sy toy izay amin'ny ankapobeny ny tatitra (108 pejy) navoakan'ny Orina Mpanasoa Mo Ibrahim taona 2016 ka miresaka an'i Madagasikara.

 

Ato ny loharanom-baovao nakana ireo voalaza ireo.

 

 

Nanonofy aho, Lasan'ny Shinoa, hono, ny...

2016-09-25 @ 22:24 in Ankapobeny

Raha misy indray izao ny resaka malaza dia izao Shinoa, Shinoa izao foana. Shinoamahamanina, hono, fa tsy Soamahamanina, sao diso famaky ka hoe Shinoamahamahana indray na Shinoamahimahina no voavaky... Rehefa mahita Shinoa dia mahana na mahina avy hatrany, mailo avy hatrany. Alefa daholo ity tsaho sy fanaratsiana Shinoa ity. Dia misy tsy menatra miteny fa Shinoa no tao ambadiky ny fandoroana ny rovan'Ambohidratrimo satria te-hividy iny tany iny, hono, ny Shinoa sasantsasany. Izany ka rediredy.

Miresaka rova ihany fa dia nisy gazety iray namoaka fa misy ampahan-tany ao amin'ny faritry ny Rovan'Ilafy, hono, nisy nividy. Vahiny, hono, ilay nividy; dia raha vao manoratra fotsiny hoe 'vahiny' dia lasa avy hatrany ianareo mieritreritra hoe: "Shinoa indray izay!" Tahaka ny tsy misy vahiny afa-tsy Shinoa eto Madagasikara. Efa misy moa ny mahasahy miteny fa rehefa kelikely dia ny Shinoa indray no hampanofa ny tany amin'ny Malagasy eto Madagasikara. Dia efa lasa lavitra loatra ry zareo ity fankahalanareo Shinoa ity. Manjary mampanonofy ratsy ka any anaty nofy avy no manonofy Shinoa.

Nofy ve moa hita hotantaraina fa aleo ihany ampitaina, fa misy finoana izay manko milaza hoe raha tantaraina, hono, ny nofy iray dia lasa tsy tanteraka, fa raha tsy tantaraina dia mety ho tanteraka. Nanonofy, hono, aho fa ny namindrana ity "tobim-piantsoanan'Ambodivona ity mankeny amin'ny tany malalak'Andohatapenaka lasan'ny Frantsay "Total Madagascar" ity, anie, hono dia satria efa voavidin'ny Shinoa koa ny ampahany be amin'io Ambodivona io. Tsy maintsy itadiavana, hono, noho izany ny hamindrana ireo fiara fitaterana maro dia maro miantsona sy ireo mpivarotra isan-karazany mameno azy ka ny vahaolana haingana indrindra dia ny tany eny Andohatapenaka. Izany, hono, no nahatonga an-dRavalomanana Marc hampitandrina ny Shinoa...

Dia nofy tokoa moa izany, soa fa toa Karana no tompon'ilay tany eny amin'ny Fasan'ny Karana fa tsy Shinoa. Soa fa Frantsay avy amin'ny Total no nampiandraiketana ny fanamboarana ny tobim-pitaterana nasionaly etsy Andohatapenaka na dia Shinoa aza no manao ilay lalana ao ambadika. Soa fa Malagasy, malaza mpanankarena sady mpanolotsainan'ny Filoha izay sarotra ny hieritreritra hoe hivadihan'ny filoha tampoka, no tompon'ny Microcred, ny Cotisse, ny Ranjatiana ary mbola Total (Oadray! vitan'ny Total tokoa ve ny nanamboatra ny fiantsonan'ny fiara teo Ambodivona sa tsy nisy fifanarahana an'izany?) an'ny Frantsay kosa ny ampahany sasany fa raha tsy izany ianareo dia hino io nofy notantaraiko tsy ho tanteraka io ho marina. Aleo aho hatory amin'izay fa alina ny andro!

25 septambra 2016 amin'ny 00:25

Rehefa hanao dia ataovy hatramin'ny farany!

2016-06-26 @ 21:32 in Ankapobeny

Nosembanin-drahona indray ny fiainam-pirenena Malagasy, indrindra fa ny teto an-drenivohitra. Taorian'ny fanafihana fiara tsy mataho-dalana sy fiara fitaterana Bilomalaza tany Beroroha toa tsy mba nandrenesam-peo avy amin'ny mpitondra fanjakana dia nisy nanapoaka zavatra indray tao Mahamasina, tsy fantatra marina ilay napoaka na grenady na baomba namboarin-tanana. Mba noheverina ho mailo fatratra ny mpitandro ny filaminana saingy tratra ihany ny gaboraraka nataony.

Efa natao mahoraka fatratra fa misy mitady hanakorontana ny fetim-pirenena malagasy amin'ity taona ity, efa nandraisana fepetra manokana hitan'ny tena maso mivantana saingy nahoana no mbola nisy ihany iny fipoahana teo Mahamasina iny?

Mba tsy voagadran'ny asa fanao ny tena tamin'ny faran'ity herinandro ity ary nanararaotra nitondra ny ankohonana hilanona kely sy hampifaly azy ireo araka izay tratran'ny tena dia mba nahita ihany ny zavatra tsy mbola fahita teto Antananarivo hatrizay. Hitantara mety ho lavalava ary aho ka araho hatramin'ny farany raha mety.

Avy teny amin'ny tsenambarotra mihaja SMART teny Tanjombato ny Asabotsy 25 jona 2016 tokony ho tamin'ny 4 ora sy sasany hariva no nanapa-kevitra hijery izany Analakely natokana ho an'ny mpandeha an-tongotra izany, niaraka tamin'ny ankizy sy ny zazakely. Rehefa fotoana tahaka izao dia tsy ampoizina ny fihetsiky ny fiara fitaterana ka izay no nandehanana mialoha na dia tsy mbola vita aza ny fampialana voly nataon'ny Okaloo teo amin'io toerana io. Niandry fotoana kely dia tonga ny fiara fitaterana iray izay nilaza mialoha fa hatreo Analakely ihany no andehanany na dia tsy any aza no fitodiany mahazatra. Noraisina satria izay indrindra ny toerana izorana. Mbola vitsy ny olona tao raha niditra izahay fa feno tanteraka izany rehefa afaka fiatoana roa raha be indrindra.

Teny an-dalana dia efa nanahy ihany hoe ho tafahoatra an'Anosy ve? Satria manko raha taona vitsivitsy taloha amin'ny fotoana tahaka izao dia efa tsy azo nidirana fiara intsony izany Anosy sy ny manodidina izany fa te-hijery izany afomanga izany akaiky dia akaiky ny olona. Tsy izaho irery no nieritreritra tahaka izany fa nisy rangahy iray nahateny mihitsy, rehefa afaka ny toby Ratsimandrava ny fiara nandehananay hoe: "Mety ho tafavoaka an'Anosy ve isika amin'izao ora izao?" Tonga moa dia namaly azy ny vadiko hoe aza tenenina mafy izany sao dia ajanony eo Anosy eo ny fiara dia miala eo daholo isika, satria hita fa te-ho any Analakely ny ankamaroan'ireo nandray ny fiara fa vitsy ny niala teo Anosy akaikin'ny Boriborintany fahaefatra hijery Afomanga.

Nanomboka teo no somary efa feno olona ny lalana ary efa nihoatra nankeny an'arabe ny ankamaroany. Tamin'izahay nandalo teo no nahita ny fiaraben'ny Kaominina miloko manga mandrahona ny mpivarotra anaty lalana hanaisotra ny entam-barony. Efa ny ampahatelon'ny lalana tokoa no feno azy ireo tamin'io fotoana io, ary mbola azo nizoran'ny fiara maro ihany ny arabe. Efa tsy taitran'ny afomanga intsony ve ny olona. Marihina kosa fa efa misy dia misy tokoa ireo olona namonjy toerana amin'ny fanatrehana izany afomanga izany fa tsy hahabahana arabe mihitsy ny hamaroany afa-tsy fanahy iniana hanakana mihitsy angaha. Fa teo ihany koa no nahitana ny hamaroan'ny zandary, polisy ary miaramila misatro-mena tamin'ny manodidina ny farihin'Anosy.

Mbola nisy teo am-pilaharana araka ny fanaon'ny miaramila ry zareo tamin'izahay nandalo teo saingy azo notarafina avy hatrany fa raha asaina mifampitantana ry zareo dia hahaodina soa aman-tsara ny farihin'Anosy mihitsy. Efa miatrana ry zareo ary tena tonga amin'ilay fitenenana taloha manao hoe miharihary toy ny tafika andrefan-tanàna. Tsy mbola nahita toy izany aho hatramin'izay nipetrahako teto Antananarivo, mety ho efa nisy tany aloha tany fa izay hitako sy niainako no lazaiko. Na dia tsy tiako loatra aza ny hamaroan-dry zareo teo, tahaka ny hoe ry zareo indray no hijery afomanga fa tsy ny olona loatra, dia mety mba mahazo antoka kosa aho amin'ny isian'ny filaminana sy ny hahahaingana ny valiny raha misy ny mitady hanakorontana. Na dia nitondra fakantsary aza aho dia tsy afaka naka satria mbola nitrotro zaza ary mbola sarotra alaina ny fakan-tsary moa ny fiara mandeha hatrany. Raha hijery afomanga teo akaiky teo aho izany dia nahazo toky soa aman-tsara fa tsy ho lasa lavitra raha misy ny manendaka na mila sotasota... fa tsy nieritreritra mihitsy aho hoe mety hisy ny hanapoaka baomba. Tsy nahita ny toy izany loatra indray anefa aho raha teny Analakely tamin'io fotoana io.

Na tsy teny Anosy sy Analakely aza aho ny alahady 26 jona dia afa-nihevitra ihany fa tsy maintsy henjana ny fisavana tamin'ny fidirana nankao amin'ny kianjan'i Mahamasina ny marainan'ny matso fa tsy mahalala mihitsy kosa aho hoe nisy fisavana kosa ve ny folakandro rehefa vita ny matso? Izay teny ihany no afa-mamaly izany. Tombatombana sisa no heverina hoe efa lasa natao toy ny tao Analakely tsy nahitana mpitandro ny filaminana amim-basy loatra ve ny tao Mahamasina rehefa vita matso sy efa lasa ny olo-manankaja sa mbola nitohy ihany ny fisavana ny hariva nefa dia mbola nisian'ireny fipoahana tao anaty kianja ireny?

Raha hoe eny ny valin'izany fanontaniana izany dia azo heverina fa nisy nanao kitoatoa izany ny fitandroana ny filaminana sy ny ain'ny olona ankoatra ny manampahefana, fa raha tsia kosa dia azo heverina ho tsi-firaharahiana tsotra izao ny ain'ny vahoaka ny tsy fanaovana intsony ny fisavana rehefa natao nahoraka ihany fa hisy ny hanakorontana. Any amin'izay nanatrika ny toe-javatra androany, sy ireo natao hitandro ny filaminana androany 26 jona ny valin'izany fanontaniantsika rehetra izany. Koa dia fanehoana fiaraha-miory amin'ny fianakavian'ny maty sisa no azo lazaina satria heveriko manokana fa fanaovana sorona ny ain'olontsotra ihany ny fanaovana kinanga fitandroana ny filaminana amin'ny lanonana tahaka itony ka nahatonga ny lohatenin'ity lahatsoratra ity manao hoe "Rehefa hanao dia ataovy hatramin'ny farany!" fa aza mieritreritra zavatra hafa azafady.

Jentilisa 26 jona 2016 na 26/06/16

 

Be diplaoma lasa 4mi- ? Ohatra iray amin'ny Malagasy mpiasa!

2016-06-03 @ 21:33 in Ankapobeny

Tohina tanteraka ny tena nahita ity tsanganana iray tao amin'ny Facebook ity. Vehivavy iray efa zokiolona 79 taona, mpampianatra ny asany teo aloha fa tsy nanao Cnaps ny mpampiasa azy tamin'ny sekoly tsy miankina iray. Manana ny diplaoman'ny Bacc ary manana diplaoma oniversitera tamin'ny Lalàna sy ny teny frantsay, araka ny fitantarana, tsy manambady, tsy mananjanaka, tsy misy miahy, tsy misy miraharaha, tsy misakafo rehefa tsy misy vola, tahaka ny tranon'akoho ny tranony nefa ofaina 15.000 ariary. Efa notoriany ny mpampiasa azy fa tsy nahazo rariny izy. Eto Antananarivo renivohitr'i Madagasikara no misy izany toe-javatra izany.

Sao dia heverinao fa tranga maningana eto Madagasikara izany toe-javatra izany? Mahasahy miteny aho fa tsia dia tsia ny valiny. Vokatry ny fanoritana ny fampianarana eto Madagasikara hitodika amin'ny teny vahiny dia lasa tsy mahalala ny harenany voalohany ny Malagasy fa jamban'ny fitodihana any ivelany. Fa raha tafavoaka eto Madagasikara ianao toa "avotra" ihany, fa raha tsy tafavoaka eto kosa dia gejain'ny vahiny sy ny mpiara-misaosy aminy eto an-tanindrazana. Notezaina ho mpiasa isika Malagasy, niniana tsy hahay na hahasahy mihary izay nandalo fianarana, tsy mahagaga raha ireo "tsy tafita" tamin'ny fianarana indray no nahay nihary satria tsy tratran'ny fandemen-tsaina ireny olona ireny.

Eto Madagasikara ve? Efa misy avy hatrany ny sokajin'olona ry zareo ihany no toa mahazo alalana hanao fihariana goavangoavana, dia lovain-janaka aman-jafy ilay fihariana. Ry zareo irery no afa-mindram-bola any amin'ny Banky sy mahasahy manorina. Isika kosa eto ankilan'izany efa nopotehina ny fahasahiana sy ny finiavana ho mpitarika sy mpitari-dalana. Efa malaza ihany koa moa ny hoe isika Malagasy ihany no mifaninana manintona hidina izay mitady hisandratra. Efa ela aho no te-hitabataba hoe tsy rariny izao mahazo ny Malagasy mpiasa izao fa matahotra ny haninkeliny daholo... "mbola kely ny zaza sao tsy misy mpiahy!"... Noadinoina tanteraka ilay hoe izay mahasahy maty no mifono lambamena, fa heverina ho adala ianao raha manao izany fihetsika izany. Tena marina ve ilay hoe taitra ny olona tsy mba taitra ka taitra irery vao mamaky takotra? Fa toa izaho irery no taitra fa ny hafa tsy mety taitra? Sa taitra tsy miteniteny?

Ry Malagasy ô! Raha tsy izao dia rahoviana? Amin'ny fotoana rehetra anie e: mila mijoro amin'izay ho'aho ianao, tohero ny tsy rariny atao aminao, tsy mbola mila herisetra izany fa mila herimpo, tsarovy fa raha itsahiny indray mandeha ianao no tsy miteny dia hohitsahiny hatrany amin'izay satria tsy manana ny lanjany intsony. Tsy misy lehibe tahaka ny vatolampy fa rehefa tsy miteny dia angeren'ny vorona. Aza gaga atsy ho atsy raha misy tantara renao atsy ho atsy.

Jentilisa, androany 3 jona amin'ny 23:30 ora Antananarivo

Ny Tantara-Angano Nandalovan'i Zika teto Madagasikara

2016-05-17 @ 09:32 in Ankapobeny

Rehefa tsy takatry ny besinimaro ny hevitra ao anatinao ao dia lasa mihevitra anao ho adala ny olona. Ny hafa faly mampita ny vaovao alefan'ny frantsay midradradradra fa tonga eto Madagasikara ny Zika, aretina azo avy amin'ny moka, lazaina fa miampita amin'ny alalan'ny firaisana ara-nofo ihany koa.


Izaho kosa, sy izay mety ho vitsy dia vitsy any ambadika any, mahasahy milaza fa tsy misy izany Zika izany eto Madagasikara na mety mamely eto aza ny tazo. Tsotra ny antony ary araka ny efa nosoratako tany amin'ny Facebook ihany: Mba zavatra malaza aty amin'ny sarambambem-bahoaka kosa aloha ilay vaovao dia mivoaka amin'ny onjampeo vao tokony hikorapaka ny masoivoho sasany fa toa finiavana hanapotika hatrany ny toekarena Malagasy, amin'ny alalan'ny famotehana ny fizahan-tany, no tsikaritra. Tsy nisy akory na dia tsaho aza teto Madagasikara hoe tonga eto Madagasikara izany Zika izany fa tonga dia teren'ny sasany hisy fotsiny.

 

Tsy tokony apetraka mangingina mihitsy ny raharaha toy itony fa ny voninahi-pirenena hatrany no tiana hopotehina. Manoratra aho sao lazaina fa tsy misy na dia Malagasy iray akory aza mijoro manohitra izao fanasoketana izao. Mipetraka ny fanamby vaovao eto: Mba firy amin'ireo nampiely ny fahatongavan'ny Zika ary izao no hanitsy ny teniny?

 

Fanampim-baovao farany:

Dia niarahan'ny rehetra nahita fa niova ny votoatin'ny fanazavana ao amin'ny France Diplomatie, ary nanitsy ny vaovaony ry zareo Frantsay. Izaho kosa milaza fa fandresen'ny bilaogera iny, satria bilaogera no nahasahy nanohitra iny filazana nataony iny na dia tsy manampahaizana momba ny fahasalamana aza izy.

Ny mpanao gazety tamin'iny indray mitoraka iny mety ho tsy nahasahy nanohitra fa nanaraka ambokony ihany. Ankehitriny saika ny filazam-baovao rehetra no nilaza ilay fanitsiana... Filazana avy amin'ny Minisiteran'ny fahasalamana teto Madagasikara mbola tsy tena nahasahy nilaza ny olona satria tsy dia inoin-teny loatra fa rehefa Frantsay mihitsy no nilaza vao nanaiky Ra-Malagasy fa hay tena diso tokoa ilay fampitam-baovao...

Tsy nivadika ny andro nanoratana azy...



Jentilisa 17 mey 2016

Mpanao Gazety sy Bilaogera

2016-03-12 @ 22:28 in Ankapobeny

Araka ny efa hitantsika dia tsy malaza loatra intsony ny bilaogy, na dia tokony hanana ny anjara toerany hatrany aza, indrindra raha te-hametraka ny dian-tananao eo amin'ny sehatra nomerika ianao. Efa ho folo taona sahady izay ny taona volamenan'ny bilaogy malagasy, raha nanana ny lazany izy tamin'izany fotoana izany ka tsy mbola nahazo vahana ny tambajotra sosialy. Nahafinaritra tokoa ny fiarahan'ny bilaogera teto an-tanindrazana sy tany am-pitandranomasina, nahatsagana bilaogy niraisana mihitsy aza tamin'izany fotoana izany, ary nisy ihany koa ny "karazana fifaninanana" izay efa nivalona ho tantara sisa.

Fa tamin'izany fotoana izany ihany koa anefa no andro volamenan'ny namana serasera sy ny karajia mbamin'ny dinika tamin'ny serasera. Mahafinaritra sy mahatalanjona ny mamaky indray ireo nosoratana taloha, indraindray aza dia vaka ianao fa efa nanoratra zavatra tahaka izao na tahaka izany, nefa tadidinao ihany fa nosoratanao tokoa ilay izy. Embona sy tsiahy fotsiny izany fa avy amin'ireo nosoratanao teo aloha ireo ihany no ahafahana mijery todika ny lalam-bita sy ny fotoana nivialiana na ny tokony ivoarana. Tsy maty ny serasera fa efa lasan'ny tambajotra sosialy ny olona rehetra tao aminy, nahazo vahana ny tena anarana raha solon'anarana no tena nanjaka taloha.

Dia miverina amin'ny resaka tsy tokony hitohy intsony aho, any ampitan-dranomasina betsaka ny mpanao gazety no bilaogera ihany koa na raha amin'ny vanim-potoana ankehitriny dia manana kaonty Facebook na/sy Twitter mbamin'ny tambajotra hafa ihany koa. Fa ny teto amintsika no somary nisy nifandaka kely teo amin'ny roa tonta na dia tokony hifameno tanteraka aza izy ireo. Tsy zakan'ny bilaogera fotsiny ny mangalatra ny asa-sorany natao tamim-pitiavana ka ny mpanao gazety izay kingalahy amin'ny fanoratana no lasa mangalatra asa... satria mampietry voninahitra amin'ny maha-mpanao gazety izany. Fa taloha izany, satria efa tsy manjaka intsony ny bilaogy, fa amin'ny tambajotra indray no hakana votoaty mbamin'ny sary ary hevitra isan-karazany. Mety ho tezitra ny tompon-kevitra fa tsy ho hita ny fahatezerany fa safotra ao anaty fanehoan-kevitra isan-karazany, nefa mety ho faly ihany koa satria i ranona mpanao gazety aza mba mitovy hevitra aminy ihany koa. Sady tombony izany no fatiantoka amin'ny fisian'ny tambajotra sosialy: nivoaka ny hevitra saingy lasa olon-kafa no tompony.

Fa misy kosa ny aretina hafa mahazo ny mpanao gazety sasantsasany. Tahotra ny sao dia voaroaka ve satria io no kapoaka sa tsy fahatsapana fa raha mandainga ianao na minia manafina ny marina sasantsasany dia tsy ny mpamaky ihany no fitahinao fa ny taranaka manaraka rehetra ihany koa ka mahita na mandre ny nosoratanao na noteneninao? Efa mahazo vahana ny lahatahiry ka hipongatra ihany ireny any aoriana any. Ny ohatra amin'izany dia ny anjara toeran'ny ambaratongan-drafitra sy fahefana tsirairay amin'ny fikarakarana ny fotodrafitr'asa toy ny lalana izany, ohatra, na ny toekarena amin'ny ankapobeny. Manao ny ataony ny politisiana amin'ny fiarovana ny sezany na te-hamely ny hafa hakana ny sezany, fa ho voninahitrao sy ny hasin'ny asanao, raha mbola mety, dia aza manaiky ny ho fitaovana mandainga fa toy ny salaka ny lainga ka ny tompony ihany no afatony. Izaho na dia nanana fironana sy lazaina ho fanatika aza dia tsy nikasa ary tsy hikasa mihitsy ny handainga amin'ny mpamakiko, satria araka izay soratako ihany no itokisana ahy na tsia, fa tsy menatra kosa mihitsy indray aho ny namoaka ny hevitro na dia mety hahatezitra ny maro aza izany hevitro izany.

Ny politisiana no avelao hitabataba fa nanome vola izao miliara ariary hanaovana an'izatsy na izaroa, nefa miharihary izao fa tsy volany io fa volam-bahoaka no ampiasainy hakana voninahitra. Tezao ny olona hiteny kokoa fa volambahoaka io fa tsy avy aminao izay nanolotra rehefa mitana andraikitra ao anatin'ny fitantanam-panjakana ianao. Aza faly ny hanenjika na hanoso-potaka an-dranona satria tsy mitovy firehana aminao na amin'ny patiraonao izy. Asandrato indray ny hasina maha-mpanao gazety mitaiza sy manabe fa tsy manasa ati-doha sy mampiasa fihetseham-po. Ampianaro hahay handalina ny olona ary ampianaro ihany koa hahay hitsikera anao fa tsy hoe ianao akory no tapi-pahaizana.

Hoteneniko ohatra, fa hatreto aho dia kivy amin'ny fampihenana ny anjara lalan'ny mpandeha an-tongotra, na amin'ny fampifangaroana ny lalan'ny mpandeha an-tongotra amin'iny manamorona an'iny Soarano iny. Ny hakelin'ny lalana ho an'ny mpandeha an-tongotra no tena mahatonga ny fitohanana eo Behoririka ankoatra ny fahamaroan'ny mpivarotra tsy ara-dalàna, nefa dia toa tsy takatry ny ambaratongam-pahefana rehetra angamba hoe mba tokony hitovy kosa ny haben'ny lalana hoan'ny mpandeha an-tongotra sy ny lalan'ny fiara. Jereo iny Petite Vitesse Tsaralalàna iny, tsy ny hakelin'ny lalana ho an'ny mpandeha an-tongotra ve no lasa mampirona ny mpandeha an-tongotra ho ny arabe ho an'ny fiara indray no fandiavan-tongony? Nefa vao midina amin'ny arabe ny mpandeha an-tongotra dia mora ho an'ny mpivarotra tsy ara-dalàna ihany koa ny mmamelatra entana eny amin'ny arabe. Inona anefa no tena anton'izany? Toa ho fandraisana ny "Francophonie" eto Antananarivo fotsiny, dia ho lasa gaboraraka hifangaro tanteraka ny mpandeha an-tongotra sy mpandeha fiara avy eo, sa ve hoe avadika ho sisinabon'ny mpandeha an-tongotra indray ilay arabe? Toa tsy mino aho an!


Jentilisa 13 marsa 2016

Ny taona no miova...

2016-01-04 @ 21:44 in Ankapobeny

Eto ampanombohana dia miarahaba ny rehetra indray nahatratra ity taona vaovao diavina ity. Ho taom-pahombiazana sy ho taom-pifaliana ho antsika anie ity taona ity. Tsy ho lava taria aho fa hiditra amin'ny anton-dresaka amin'izay.

Toy ny hafahafa ihany raha tsy tohizana ny fitantarana izay niainana tamin'ny volana desambra lasa teo. Tsy misy intsony ve izany ny tohin-dresaka? Sa nisy zavatra nitranga dia lasa ankamantatra amin'izay hoe mba nanao ahoana? Sa ve hoe efa taona vaovao izao no iainana ka aleo mba zavatra tsara aloha tantaraina voalohany? Izay angamba no nahatonga ny lohateny manao hoe :"Ny taona no miova..."

Minia tsy manoratra ny malaza amin'ny tambajotra sosialy toy ny fanasana olona hihinambe eny Iavoloha na hianoka ny fofona maimbon'Antananarivo feno fako aho fa resaka fiainam-piarahamonina hatrany izy ity na izany aza. Seha-piarahamonina mihatra mivantana amin'ny tsirairay ihany koa satria karazany mihatra aman'aina na mihatra amin'ny mahaolombelona. Karazana tombana no soratako etoana.

Vita ny fety, nisy ireo voatery niasa hatrany na krismasy na taombaovao. Nisy ireo afaka nifandamina ka izay tsy niasa krismasy no miasa taombaovao ary ny niasa krismasy kosa no tsy niasa taombaovao. Tsy ilaozam-pifamaliana anefa izany toe-javatra izany rehefa mitontona andro iray ny safidin'ny rehetra tsy iasana. Nisy ireo nahasahy nilaza fa sady tsy hiasa izy krismasy no tsy hiasa taombaovao saingy azo isaina amin'ny rantsa-tanana izany na efa naka congé mialoha (raha omeny!). Tsikaritra fa misy ireo karazana mpiara-miombon'antoka amin'ny fanomezana toerana ivarotana ho an'ny orinasa, afaka manao fampilazana mialoha rehefa tsy ho afaka ny hisokatra, no nahatsapa ny ngidin'ny manjò ny mpiasa ka nanapa-kevitra ny hikatona mihitsy tamin'ireo andro roa ireo, mba ahafahan'ny mpiasa miara-mifaly amin'ny ankohonany (latsaky ny atsasany izy ireo). Misy kosa ireo mpiara-miombon'antoka ireo no tsy miraharaha izany mahaolombelona izany fa ny vola miditra aminy ihany no fantany (mihoatra ny atsasany izy ireo). Manana fahafahana feno tsy azo teriterena loatra ireo mpiara-miombon'antoka ireo rehefa amin'ny tranga tahaka izao. Voamarika mazava tsara amin'izany fa mbola ezaka manokana hoan'ny Malagasy amin'ny ankapobeny ny fitsinjovana ny hafa.

Zavatra iray nahavariana ihany koa dia nisy tamin'ny mpiasa ihany koa no nitalaho tamin'ireo mpiara-miombon'antoka mba hisokafan'ny toeram-pivarotany fa tsy misy atao, hono, izy amin'ireo fotoana ireo. Mbola tanora loatra angamba ka tsy mahatsapa ny hamamin'ny fiainam-pianakaviana sy ny fiarahana indrindra rehefa amin'ny andro fety. Mety ho eo ihany koa ny matimatin'ny mahazo ravin-taratasy iray rehefa miasa andro fety tahaka ireny, izany hoe atakalo ravin-taratasy misy sandany ny fiainam-pifaliana ao anaty. Mety ho antony iray hafa ihany koa ny te-ho tsara naoty eo anoloan'ny mpampiasa ka mety hiakatra voninahitra vetivety, tsy nisy fampanantenana ny amin'izany loatra anefa. Ny andro iasana andro fety anefa dia tsy soloina andro hafa tsy iasana... ankoatra ny an'ireo "nanery" hivarotra tsy niasa mangingina ny ampitson'ny andro fety.

Nenjakenjanina fatratra ihany koa ny fifampifehezana tamin'ny faramparan'ny taona teo ka raha nomena saran-dalana ho an'ny taxi ny mpiasa-mpivarotra manatitra entana sy fitaovana eny amin'ny foibe (fanao tsy mahazatra fa tsindraindray ihany) dia nandrasana tamin'ny fakantsary avokoa ry zareo ka izay tonga tamin'ny taxibe na an-tongotra teo amin'ny foibe dia nahazo sazy avokoa. Ny mampihomehy amin'ilay saran-dalana anefa dia vola tsy ampy mihitsy (indrindra rehefa faran'ny taona) no nomena ary raha sanatria ka very na misy manendaka na dia eo anoloan'ny foibe aza ireo mpiasa-mpivarotra ireo dia soloin-dry zareo (voaendaka) manontolo ny very. Karazana antsojay itadiavana antony amin'ny fanapahan-kevitra atao ao aoriana kely ao angamba no tena anton'io kendritohina io.

Fehiny: ireo heverintsika ho tsy rariny hitantsika mivandravandra rehetra ireo, toy ny fako misavovona, ny fanasana olona an'arivony hisakafo, ny fividianana  mpividy vaventy miharo fandrahonana raha tsy manaiky fifanarahana mandritra ny fifidianana, ny tsindry eny amin'ny fitsarana dia miainga avy any amin'ny isan-tokantrano na isaky ny orinasa na isan'ambaratongan-drafitra ifotony avokoa. Raha tsy mahajoro amin'ny sehatra ifotony dia tsy mahagaga raha menomenona fotsiny no vita rehefa amin'ny sehatra mahasahana ny tanandehibe iray manontolo na mahasahana ny firenena iray manontolo ihany koa aza. Mifototra amin'ny tahotra izany, dia tahotra manoloana ny fahefana afa-mamelona na afa-mamono anao. Izay angamba no mahatonga ahy tsy niresaka loatra ireo olana atrehin'ny firenena raha misy ireo manao danin'ny kibony tsy voakitikitika na aroarovana any amin'ny sehatra kely na antonony any amin'ny misy azy any. Rehefa mahavita miray hina ny voatsindrihazolena rehetra any amin'ny misy azy ka mametraka fifandanjan-kery tsy manan-tahotra na dia amin'ny heverina ho tsy azo toherina aza dia ho tara loatra ny fanapahan-kevitry ny fanjakana mahefa hiaro tena rehefa mahatsapa ny heriny ireo voatsindrihazolena iharan'ny tsy rariny rehetra ireo. Ka tsy aleo ve mampihatra ny ohabolana milaza hoe "gouverner c'est prevoir" ny mpitondra fanjakana ambony sa mbola ny fitadiavam-bola ihany aloha izao no laharam-pahamehana?


Jentilisa 4 janoary 2016

Saritaka hiasa fety?

2015-12-23 @ 10:11 in Ankapobeny

Misaritadritaka ny ato am-piasananay amin'izao fotoana izao. Ny hafa rehetra miomankomana sy somebiseby avokoa amin'ny fikarakarana ny fetin'ny faran'ny taona fa ny ato aminay kosa mikorontandrotana sy feno tebiteby amin'ny hoe hiasa ve krismasy ary hiasa ve taombaovao. Efa mahazatra ny orinasanay ihany ny mampiasa anay rehefa andro fety, indrindra fa ny ao amin'ny departemanta misy anay miasa paska sy alatsinainin'ny paska, pentekôsitra sy alatsinainin'ny pentekôsitra, fetin'ny mpiasa, fiakaran'ny Masina Maria... izany hoe izay andro fety tsy iasana rehetra ho an'ny daholobe nefa andraisan-karama. Ho anay kosa dia toy ny andavanandro ireny fotoana rehetra ireny.

Ny departemanta hafa, maro an'isa tsy miasa ny alahady fa ny anay kosa misokatra tsy misy fitsaharany ny toera-pivarotana sy ny masoivohom-barotra rehetra manerana an'i Madagasikara. Izahay no tsy maintsy mifandamina ka indray mandeha isam-bolana no mahazo alahady fa ny andro hafa kosa no ahazoana solon'alahady iray isan-kerinandro tsy nahazoana fialan-tsasatra alahady. Ny anay manokana dia tsy maintsy mihoatra hatrany, tsy ahazoana tambiny na ariary aza ny 173,33 ora isam-bolana, ka rehefa mitaraina amin'ny fihoaran'ny ora dia mahazo valinteny hoe manaova fônksiônera [mpiasam-panjakana] fa any no misy an'izany. Tsy fantatra intsony hoe ho an'iza tokoa ilay lalàna sosialy fa toa tsy mihatra aminay velively izany. Ary amin'izay ny andro alahady no mafy sy betsaka indrindra ny asa (mariho fa toy ny andro tsotra io aminay "birao" ka tsy ahazoana tambiny na ariary aza satria izay no voalazan'ny fifanarahan'asa).

Hatramin'izay nitsanganan'ny departemantanay izay misokatra isan'andro io dia ny andron'ny krismasy sy ny taombaovao irery ihany no mikatona ny toeram-pivarotana, efa folo taona mahery izao. Taona vitsivitsy ihany koa izao ny departemanta hafa no tsy niasa intsony koa amin'ireo andro ireo. Tamin'ny nitsanganany voalohany tokoa dia niasa tamin'ireo andro ireo rehefa mitontona andro fiasana ny andro fety, nefa ny andro niasana tamin'izany fotoana izany dia ny alakamisy sy ny asabotsy ihany, niampy talata afaka volana vitsivitsy dia niampy zoma taona vitsy taoriana ary alarobia nanaraka avy eo.

Nivadika tampoka ny toe-draharaha tamin'ity taona ity, voatery nofoanana tamin'ny ora farany ny saika hisokafana tamin'ny fetim-pirenena sy tamin'ny andron'ny fifidianana ben'ny tanàna. Taloha tsy nisy fisokafana andro fifidianana mihitsy fa vao kinasa tsy tanteraka kosa tamin'ity taona ity. Ny tato amin'ny orinasanay no fantatro voalohany indrindra nanery ny mpiasa tsy maintsy miasa amin'ny andro fandalovan'ny rivodoza na dia vehivavy aza no maro an'isa tany alohaloha tany. Ary mety ho nahatsikaritra izay monina teto Antananarivo fa tamin'ny fandalovan'ny rivodoza farany teto Antananarivo tamin'ity taona ity dia maromaro ihany koa ny orinasa hafa nanaradia anay tamin'ny fampiasana ny mpiasa hiasa tamin'ireny andro ireny. Tamin'ny fotoana nandalovan'ny rivodoza, izay mpiasa tsy nanaiky ny hamonjy ny toera-piasany nefa mbola mpisolo toerana dia voaroaka tsy misy hatakandro, nahazo sazy kosa ireo efa mpiasa raikitra nandà tsy hiasa.

Ireo andro roa, fetim-pirenena sy fifidianana ben'ny tanàna, ireo no nolazaina ho antony nampiasana ny mpiasa krismasy sy taombaovao tamin'ity indray mitoraka ity. Io fanapahan-kevitra nivoaka ofisialy valo andro alohan'ny krismasy io no niteraka ny saritaka tato am-piasana. Tsy nitombina tamin'izay fety sy fikarakarana azy intsony ny saina fa lany tamin'ny fahakiviana sy ny lonilony. Hany andro saika hiarahana mifaly sy misakafo am-pilaminana miaraka amin'ny ankohonana na/sy ny fianakaviana. Maty tanteraka ny programa. Maro no tsy ho afaka akory hamonjy ny fotoana fiderana maraina any am-piangonana ary efa hariva (amin'ny telo ora) vao ho afaka hisakafo ao an-trano amin'ny olona efa tapi-nihinana, ho an'ny miasa maraina. Ny departemantanay indray, afaka mitondra ny ankohonana any am-piangonana ihany izay tsy voatendry hiandry birao maraina fa tsy maintsy efa mahalany ny sakafo rehetra kosa alohan'ny hiaingana hiasa amin'ny iray folakandro. Efa nolazaina tokoa manko fa tsy maintsy misy olona avokoa ny birao rehetra amin'ireo andro roa efa voalaza ireo.

Setrin'izany dia misy ihany ny valy bontana malemy dia malemy. Misy ireo mitabataba fa tena efa tsy rariny intsony kosa izao toe-javatra izao, tsy manana andro ifaliana intsony ny mpiasa. Efa rava sy simba tanteraka aloha izany fety izany na dia mety hisy aza ny fiovan-javatra amin'ny ora farany. Efa nisy aza ny fitakiana hihaona amin'ny tompon'andraikitra voalohany tompon'ity fanapahan-kevitra ity. Sambany koa tsy nisy resaka mihitsy ny "prime" faran'ny taona hatramin'ny ora anoratana ka mbola mitambesatra manampy trotraka amin'ny tsy faharisihana hiasa mihitsy koa izany. Maro dia maro kosa anefa ny mikombom-bava tanteraka satria ato ihany no fidiram-bola ary aleo miaritra fa rehefa tsy mahatanty mipitika. Ary hitanareo ihany fa sarotra dia sarotra ny toe-javamisy eto Madagasikara, ary hitanareo ihany fa mbola raiki-tapisaka ilay foto-pisainana malagasy manao hoe: "aleo mahazo kely toy izay mandry fotsy, ary aleo maty rahampitso toy izay maty anio."

Efa nisy ihany anefa ireo fitadiavam-pifanarahana toy ny fampitambazana hoe hoheverina ny isian'ny prime rehefa avy miasa krismasy sy taombaovao soa aman-tsara. Nisy ihany anefa ireo niteny hoe tsy fantatra akory izay mety ho sandan'ny prime mety ho azo fa aleonay tsy miasa mihitsy dia tsy mahazo prime toy izay miasa mety ho tsara fitapitaka tamin'ny zavatra tsy voasoratra an-taratasy. Dia nisy ary ny fitsapan-kevitra natao tamin'ny departemanta be mpiasa indrindra sy be indrindra no mahasahy manohitra ity fanapahan-kevitra nialohavana tsahotsaho ity saingy tsy mazava mihitsy ny fandehan'ilay fitsapa-kevitra.


Tantara hafa mihitsy ity fitsapan-kevitra ity satria samy manana ny filazany ny mpiasa nanontaniana na samy manana ny nanontaniana azy. Misy ny milaza fa nanontaniana izy raha afaka miasa na tsia amin'ireo andro ireo. Raha matahotahotra ny ho voaroaka na ho tratran'ny antsojay any aoriana any dia mamaly tsy satry fa mety ho afaka miasa ihany, ireo izay tonga dia mahasahy miteny fa tsy afaka miasa kosa dia mila na omena permission izy amin'io fotoana io... permission andro fety. Misy indray ireo nanontaniana hoe raha afaka miasa dia mitondra ny fitaovana alaina any amin'ny foibe sy ny lakilen'ny kiôska ve? Izany hoe niampy kely indray ilay asa fa mamonjy maka fitaovana any amin'ny foibe aloha vao mamonjy ny toerana iasana raha tonga dia mamonjy ny toerana iasana kosa amin'ny andavanandro.

Hamaranana dia tsy fantatra intsony izay ho tohin'ity resaka ity fa mety ho mazavazava aminao kokoa amin'izay ny dikan'ilay lahatsoratra teo aloha manao hoe "Mivavaha ho anay!" Azoko natao tsara ny nindrana olon-kafa handefa ity lahatsoratra ity saingy aleoko izaho ihany no namoaka azy sao lazaina ho mandainga na tsy mino ilay ampindramina ka tsy ho avoakany ity lahatsoratra lava dia lava loatra ity. Tsy haiko intsony na tokony hirary fety sambatra ho anareo aho na tsia, raha eo amin'ny toerako na toeranay ianareo, fa ny fety tsy maintsy mandalo fa izahay no mety ho malok'endrika. Tsy ho tia tena akory sanatria fa omena anareo ihany ny firariantsoa hifalianareo fa mangataka hatrany izahay manao hoe : "Mivavaha ho anay!"




Jentilisa 23 desambra 2015



Amboarina ny lalana Isoavimasoandro-Ivato

2015-08-28 @ 07:44 in Ankapobeny

Efa namaky na nandre izany filazana izany angamba isika. Efa misy io lalana io ary efa nizorako na dia efa ela aza fa raha ny marina dia fanatsarana sy fanalehibeazana azy no sisa. Diso tanteraka noho izany ny finiavana hilaza azy ho fanokafana na famakiana lalana. Efa misy ihany koa ny lalana Ivato-Sabotsy Namehana na Ivato-Isahafa-Lazaina ary Isoavimasoandro-Ankadikely Ilafy saingy mbola lalatany avokoa ireo.

Fampanantenana nipoapoaka tamin'ny fifampiarahabana voalohan'ny taona 2013 nataon'i Andry Rajoelina, Filohan'ny FAT, tsy nanokafana tetibola manokana nolanian'ny Parlemanta, ny fanamboarana io lalana io saingy nangoronan'i Rajabali, Karana iray malaza ho mpanankarena, ny tany rehetra tamin'iny manodidina an'Isoavimasoandro iny. Kisendrasendra sy fifanandrifian-javatra ve sa nisy firaisana tsikombakomba tao ambadika?

Niara-nandre ny kabary ny maro fa nisoko mangina kosa ny fampiantsoan'i Rajabali izay manantany rehetra tamin'ny manodidina io Isoavimasoandro io tao amin'ny sekoly FJKM Paul Minault hividianany ny tany araka izay anombanan'ny milaza ho tompony azy tsy misy adivarotra fa ny ividianany ny tany ihany no fantany. Moa mba fantatry ny besinimaro izany zavamisy izany? Anontanio ny mponina eny fa nalaza teny izany. Fantatsika ny tohiny fa fampanantenana poakaty no nitranga ary lasan'ny Karana avokoa ny tany ka Malagasy maro dia maro no nivarotra ny tanindrazany tamin'izany nefa dia efa nodradradradraina ho tena ratsy indrindra izany mivarotra tanindrazana izany.

Tonga ny Repoblika fahaefatra fa dia mbola niverina indray ilay fampanantenana ary dia mbola tsy tanteraka ihany fa Rajabali indray no malaza ho nanamboamboatra ny lalana izoran'ny kamiao mitatitra tany hanotofana izao ao Mahatony izao. Fa tsy mahatezitra ny maro akory hay ilay mivarotra tany amin'ny vahiny fa mba mody tabatabaina eo. Lasa nanombatombana no niafarako hoe mety ho lasa lalana an'olona manokana no iafaran'io lalana efa nisy hatramin'ny Repoblika voalohany io fa mody fanina fotsiny ireto mpitondra mifandimby ireto.

Raha tena hanao dia ataovy fa aza mivarotra amin'olona ny lalana efa nisy hatramin'izay. Aza gaga raha lazaina ho Autoroute andoavambola ny fandehanana aminy rehefa kelikely nefa tsy fanjakana no tompony fa Rajabali raha izao fihetsika ataon'ny mpitondra izao no mitohy.

 

Jentilisa 27 aogositra 2015

Fialonana sy Tahotra vs Fahafahana sy Tohitra

2015-07-25 @ 23:38 in Ankapobeny

Raha ny tontolo eto Madagasikara, eto Antananarivo indrindra indrindra, dia tokony ho niresaka politika mafana vay aho. Tsy nanao izany mihitsy anefa ny tena ary niniako natao iny tsy hiteny na inona na inona. Efa fantatry ny mpamaky ny fironana politika misy ahy ary tsy mbola miova amin'izany aho. Aoka kosa anefa hotsorina fa mila mitandrina fatratra izay te-handresy amin'ny fomba madio araka izay tratra amin'io fifidianana io fa tsy ao amin'ny biraom-pifidianana ihany no ilaina ny fanaraha-maso amin'io fotoana io fa eny amin'ny zato metatra na mihoatra manodidina ny biraom-pifidianana... ary tsy izay ihany, fa efa nisy lahatsoratra iray manontolo nataoko momba io raharaham-pangalaram-bato io. Fividianana olona no mety hanjaka eo raha mbola tsy misy fiovana avy amin'ny tsikaritra nolazaiko tamin'io lahatsoratra io.

Efa sehatra nasionaly ny politika noresahina teo ambony fa misy ihany koa ny politika tena mihatra amin'ny tsirairay manokana ary tsy voatery ho nasionaly fa maningatsingana any amin'ny toerana lazaina fa efa olondehibe mahalala ny tokony ataony daholo no ao. Anisan'ny lohahevitra eo amin'ny resaka politika ny fahafahana sy ny sivana ary ny fanampenam-bava, fa tsy voatery ho avy amin'ny governemanta na avy amin'ny mpitondra ara-politika ihany no misy ny fanampenam-bava fa mety ho avy amin'ny sehatry ny asa ihany koa, ary niharan'izany indrindra ny tena.

Ela tokoa ny ela fa dia tonga tamin'ny tena koa ireo zava-mitranga any amin'ny firenen-kafa amin'ny fanakanana tranonkala sasantsasany izay nadika tao amin'ny Global Voices Online. Ilay Global Voices Online iray manontolo mihitsy no nosakanana tao amin'ilay toerana ary rehefa notsapatsapaina avokoa ny tranonkala hafa dia toa izy irery hatreto no niharan'izany fanakanana izany. Raha mitohy anefa izao ataoko izao dia mety hanara-dia ihany koa ity blaogy.com ity. Nefa tsy hay aloha izay ho tohiny. Raha ny lahatsoratra be mpamaky ao amin'ny GVO teny malagasy dia resaka manodidina ny vetaveta no tena mahasintona ny mpamaky sasantsasany, ka izay ve no mety antony? Jerena anefa hoe misy tranonkalam-betaveta voasakana ve? toa tsy misy...

Nosakanana ve ny media sosialy toy ny Facebook na Youtube izay fandanian'andro mahakely ny asa vita sy ny vokatra azo? Tsia... Efa nilaza am-bava ny lehibe tale jeneraly teo aloha, fony fahavelony, tao amin'ity toera-piasana ity fa tsy ankasitrahany mihitsy ny idiran'ny mpiasa miserasera amin'ny Facebook fa tsy nisy mihitsy ny fanakanana tsy ahazoana miditra aminy ara-teknika... dia rehefa tsy tratra eo am-piseraserana moa izany ny mpiasa dia tahaka ny hoe tsy niditra Facebook. Tsy nanakana ny fisian'ny mpitsikilo manokana ireo mpiasa midikiditra amin'io sehatra io any amin'ny misy azy any amin'ny fotoana fiasana izany tsy fisian'ny fanakanana ka raha tsy mahay manidy ny fikarajiana (Chat) dia mety ho voateny. Fa ity nanjò ity kosa toa fikendrena manokana, fa manana ny lazany tahaka ny ahoana ilay Global Voices Online ary inona no nataon'ilay GVO tamin'ilay toera-piasana? Na izaho aza tsy mahavaly ilay fanontaniana.

Raha ireo sehatra mampandany fotoana tsy iasana no notenenina sady nosakanana toy izao ka tsy misy afa-miditra daholo ny rehetra mba hafahafa ihany satria andeha atao hoe azoko ekena hoe manan-jò ny hanakana ireo tranonkala mampandany hery sy ora tsy iasana ny toeram-piasana. Raha tranonkalam-baovao mety tsy hampandany anao atsasakadiny mihitsy na hoe folo minitra akory aza dia mivandravandra fa resaka fanakanana tsy mitombina velively. Raha misy ny manana andraikitra hanakana tranonkalam-baovao dia tokony avy amin'ny governemanta, tsy mahazaka demaokrasia sy fahalalaham-pitenenana, mihitsy izany fa tsy avy amin'ny toera-piasana iray loatra. Tsotra ihany ny zavatra ambarako, enga anie izao mihatra izao tsy ho fihoaram-pefy na fanararaotam-pahefana!

Rehefa fakafakaina marivo sy lalina ny toe-draharaha dia tokana ihany no antony: Fialonana sy Tahotra (F&T). Tsy hitako loatra anefa izay antony mampialona fa efa ananany avokoa izay ananako ary manana betsaka mihoatra noho izaho aza izy ary tsy hitako izay hampatahotra satria olona ratsy naoty indrindra eo amin'ny lehibe tale jeneraly amin'izao fotoana izao aho satria efa niteny taminy ny tokony hanajana ny zon'ny mpiasa eto Madagasikara ary efa tsy tsara naoty tamin'ny lehibe ambony nodimbiasin'ity farany ity ihany koa ka tsy hisy fahafahako hiakatra ambaratonga fa fanetrena aza no mety hihatra kokoa. Tamin'ny teo alohan'ireo olona roa ireo ihany aho no tsaratsara naoty fa efa tsy ao intsony ihany koa moa izy amin'izao fotoana izao. Tsy ho afaka ny haka ny toerany na oviana na oviana aho, noho izany, ary tsy afaka ny hitovy laharana aminy mihitsy.

Ho setrin'izany F&T izany anefa anefa dia lasa mitady ny F&T ahy koa aho: ny "Fahafahako" miditra hatrany ao amin'ilay sehatra ho "Tohitr'ilay" fanakanana atao mangingina satria tsy misy ny filazana ofisialy fa tsy azo idirana ny tranonkalan'ny Global Voices Online. Fa raha mbola apetraka ny hidim-baravarana dia apetraho naoty amin'ny fomba ofisialy izany ho hitan'ny rehetra dia tsy hiditra aho rehefa any am-piasana fa raha ny hanakana hoe tsy mahazo mandray anjara amin'ny GVO intsony ianao dia tsy azonao sakanana amin'izay ataoko aty an-trano aho.



Jentilisa 26 jolay 2015


Atao inona harendrina?

2015-06-25 @ 22:01 in Ankapobeny

Voalohany indrindra dia tsy maintsy mampahatsiahy ny rehetra hoe harendrina no fanoratra azy fa diso ny fanoratra ny hoe arendrina, na dia maro aza ny haino amanjery manoratra tahaka ity farany ity. Manaraka izany, azo lazaina ihany koa hoe fanilo ny anarany. Fahatelo dia hiditra amin'ny resaka manafintohina ny mamaky azy nefa efa maro an'isa no efa manana eritreritra tahaka izany ao anatiny ao fa tsy mamoaka ampahibemaso ny heviny fotsiny izy ireo: tsy misy ilaina azy intsony ny harendrina, indrindra fa raha eto Antananarivo renivohitra no jerena. Aza tezitra na misendaotra fa mamakia anie hatramin'ny farany dia ho hitanao fa ny zavatra nataonao ihany no nanafintohina anao fa tsy ny nanambarako izany taminao.

Eto Antananarivo renivohitra no lazaiko fa tsy mbola miresaka tanàna hafa aho. Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay dia tsy misy intsony ny toerana ifamontoanan'ny ankizy iray fokontany na atao tsotra fotsiny hoe mpiray tanàna. Mety hoe ny mpiara-mianatra any an-tsekoly indray no tena mpinamana amin'ny ankizy ka lasa tsy dia misy ny fifandraisana eo amin'ny mpiray tanàna, nefa tombatombana ihany ity farany ity fa tsy voatery ho marina any amin'ireo faritra betsaka olona mahantra. Ny olondehibe ihany koa tahaka ny tsy marisika ny hifampitaritarika amin'ny zanany na tsy te-hifampihosinkosina amin'ny mpifanolobodirindrina ve? Raha izany no izy dia potika tanteraka ny fiainam-piarahamonina araka ny dikany amin'io teny malagasy io hoe miara-monina. Toa zary mifampiolonolona fa tsy miara-mionona. Mifampijerijery eny an-dalana raha mijerijery fa amin'ny ankapobeny toa samy mody fanina. Efa niova tokoa ve ny fiainana an-drenivohitra?

Rehefa tsy marisika loatra ny hifampitaritarika ary dia lasa toerana iray no ihazakazahana sy ifanontofana itondrana ny ankizy, fa ny zaza raha kely loatra lasa tahotra indray no manjaka ao aminy noho ny fipoapoaky ny afomanga. Mivoaka mialoha eny an-tanàna hamonjy ny toerana ambonimbony hahatazanana ny farihin'Anosy, toerana iaingan'ny afomanga, na amin'ny toerana manodidina ahatazanana azy akaiky indray no lamaodin'ny ray aman-dreny fa tsy mahalala na inona  na inona ankoatra izay raha resaka lanonana ankalazana ny fetim-pirenena no heverina. Fandrik'izany toe-javatra izany anefa dia mihamihena ny fandraisana anjaran'ny olom-pirenena fa  ny hijery fampisehoana indray no mahaliana. Mijery fa tsy mandray anjara. Tsy mahagaga raha sarotra ny mandafo ny harendrina taratasy fa mora kosa ny mandafo ireo haingo mipendrapendrana amin'ny alina fitondra amin'ny alina vitan'ny shinoa.

Fahadisoan'ny mpitondra fanjakana tanteraka anefa no nahatonga izany fiovam-pihetsika teo amin'ny olom-pirenena zary tsy mpandray anjara fa mpitazana izany. Raha raisina pratika dia miharihary ny finiavan'ny mpitondra fanjakana hampanao ny olom-pirenena ho mpitazana fa tsy mpandray anjara eo amin'ny fiainam-pirenena tahaka ny hita amin'ny fetin'ny fahaleovantena izay atrehintsika amin'izao fotoana izao. Maika HIJERY afomanga fa haingon'entana ny Haingo sy Ravaka mipendrapendrana shinoa. Tavela eo izay ankizy tsy misy mitondra hijery afomanga raha mbola mankany amin'ny fivelomany ny ray aman-dreny. Raha mividy harendrina taratasy indray dia ny kelikely mahamay ny tanana satria akaikin'ny afon-dabozia loatra, raha lehibe loatra indray tsy maharaka ny haben'ny ankizy mitazona azy ka mitongilangilana ny fitondra azy.

Zavatra iray mahavariana ihany koa dia manify loatra ny labozia ka vetivety dia lany. Ny fitoeran-dabozia ao anatiny ihany koa dia kely loatra sa efa fantatry ny mpivarotra ve fa ny haben'ny labozia tafiditra eo ihany no zakan'ny fahefa-mividin'ny Malagasy? Rehefa mitondra azy mivoaka sy mirehitra amin'izay moa dia fianakaviana iray na roa na telo, fito raha be indrindra no miarakaraka sy mihirahira eny, hoan'ny eto Antananarivo renivohitra no ambarako eto, dia vita. Raha izaho manokana dia tsy misy "feeling" azoko amin'ny toe-javatra tahaka izany ary tsy mahatsapa tena mihitsy aho fa mankalaza ny fetim-pirenena.

Inona ary ny andraikitry ny mpitondra fanjakana na mpitondra eto Antananarivo ao anatin'io famotehana ny fiaraha-mifaly amin'ny fanaovan-javatra tahaka ny milahatra manao harendrina fa tsy faly ny ho mpitazana fotsiny io? Eto no manana ny anjara toerany indray ny fokontany sy ny mpitondra eo aminy. Tsy misy ve ny baiko midina rehefa tsy mahatsapa mandray andraikitra amin'ny tokony anentanan'ny isam-pokontany sy ikarakarany ny fampilaharana ny ankizy hanao harendrina avy amin'ireo filoha na [hay moa toa tsy misy intsony izany komitin'ny fokontany izany]? Izay tokontany filalaovana somary nalaladalaka taloha koa moa izao lasa misy mamariparitra fa efa lasany ny tany na dia tokony natokana ho toeram-pilalaovana izao aza ilay toerana. Tokony natao ny fanentanana mialoha isan-trano fa amin'ny 25 jona dia misy toerana vitsivitsy iaingan'ny ankizy milahatra manao harendrina ka hifamotoana amin'ny toerana voatokana na toerana malaladalaka iray eo amin'ny fokontany eo dia mba mifaninana manao fampisehoana eo ny isaky ny zana-paritra ohatra.

Efa nisy ny zavatra sy fiomanana tahaka izany teto Antananarivo tamin'ny fahakely (1980, 1985,...) ary ny tanora teo amin'ny fokontany no nitarika ny ankizy na nampianatra ny ankizy amin'izay hatao amin'ny takarivan'ny 25 jona. Karazana afondasy no atao fa tsy mila lampihazo na podium, ny podium amin'ny fijeriko manokana dia sehatra nataon'ny mpitondra fanjakana ireharehana hoe mahavita mindrana mpanakanto andoavam-bola fotsiny, izay mety midika any ambadika any hoe vola mihodina ka mety misy ny vola diso lalana hanatevenana ny fananan'ny tena manokana. Samy finaritra ao anatin'ny lanonana isaky ny fokontany izany na ny ankizy mandray anjara fety vetivety, na ny tanora nampianatra ireo ankizy ka faly fa misy zavatra nataon'ny tena hahatsiarovan'ireo zandry ireo anao, na ny ray amandreny mahita ny zanany manao amin'ny fony madio ny fandraisany anjara amin'ny fetim-pirenena. Ataoko fa mbola tsy lavitra an'izany ireo tanàna maro hafa eto Madagasikara raha tsy fantatra intsony kosa izany eto Antananarivo Renivohitra.

Mifanindran-dalana amin'izany kosa dia foanana ny afomanga fa fandoram-bola fotsiny na raha tsy maintsy atao ihany dia afindra toerana hotontosaina ny alin'ny 26 jona fa tsy amin'ny alin'ny 25 jona intsony satria manimba tanteraka ny ambiansin'ny fety. Any vao miara-mitazana ny rehetra, efa vita ny fanaovana ny fety eo amin'ny ambaratongan'ny fokontany, feno ny fandraisana anjaran'ny rehetra isam-pianakaviana tamin'ny sakafo tao an-trano, niara-nihinana sy nisotro tany amin'ny lapam-panjakana ireo olo-manankaja isan-karazany vao amboaram-pamaranana ny fety ny afomanga. Efa misy fifankafantarana na dia tarehy fotsiny aza farafaharatsiny eo amin'ny mpiara-monina sahirana amin'ny fitadiavana isan'andro na isam-bolana, maresaka ny ankizy vao mijery ny fialamboly atolotry ny fanjakana ireharehany. Fehiny: tsy tokony natao hamonoana ny fanaovana harendrina mihitsy ny afomanga fanatao hanampy azy amin'ny farany fotsiny. Natao ho ambin'ny harendrina ny afomanga fa tsy lasa mivadika toy ny hita ankehitriny ka lasa ambin'ny afomanga indray ny harendrina ka mahatonga azy ho anaran-tsy very araka ny hita amin'izao fotoana. Dia miarahaba anareo rehetra amin'izay nahatratra ny Asaramanitra ka trafonkena ome-mahery izay nolazaiko toe ka am-bava homana am-po mieritra

Jentilisa 25 jona 2015 amin'ny 23:47

 

 

 

Fivoahana Ofisialin'ny Zarateny : Blaogy iombonana miresaka sosialy sy politika eto Madagasikara

2015-05-20 @ 19:51 in Ankapobeny

Navoaka tamin'ny fomba ofisialy androany 20 mey 2015 ny blaogy iraisana Malagasy iray izay nokendrena hamoaka votoaty amin'ny teny frantsay na amin'ny teny malagasy. Raha ny tambajotra sosialy no ironan'ny besinimaro ary toa efa mihalefy tsikelikely ny blaogy amin'ny ankapobeny, dia fanamby lehibe kosa no atrehin'ny Zarateny amin'ny famoahana izao bilaogy iraisana izao. Hahatonga ny olona ho liana amin'ny blaogy indray ve ny fandraisana anjaran-dry zareo?

Amin'ny ankapobeny dia mikendry famoahana lahatsoratra na/sy votoaty dimy isan-kerinandro ity sehatra iray ity. Mety hisy ny mpandray anjara mavitrika fa ny tena andrasana sy tsara homarihina dia ny fahafahan'ny hafa mandray anjara amin'ny famoahana ny fanadihadiany ka isafidianana ho ao anatin'ny dimy hivoaka isan-kerinandro. Tsy tora-po intsony no andrasana hivoaka raha ny fahazoan'ny mpanoratra azy fa tena fitsakotsakoana sy vokatry ny fandinihana no heverina hivoaka.

Tsy izay votoaty rehetra tiana havoaka anefa no ho hita ao amin'ity bilaogy iraisana ity fa misahana manokana ny politika sy ny sosialy eto Madagasikara. Afa-mandray anjara avokoa na vahiny na Malagasy monina eto an-tanindrazana na ampitan-dranomasina rehefa miompana amin'io lohahevitra io ny votoaty ary mivoaka amin'ny teny frantsay na malagasy ilay izy.

Ny famoahana amin'ny fomba ofisialy no androany fa efa namoaka ny votoaty dimy voalohany izy tamin'ity herinandro ity. Ary tamin'izao voalohany izao dia tamin'ny teny frantsay avokoa ny lahatsoratra. Fepetra takiana raha hamoaka lahatsoratra ao aminy ny tsy maintsy ahafantarana hoe iza no mpanoratra, sy ny filazana fohifohy ny momba azy. Mazava loatra fa te-hametraka fahamatorana ny mpikarakara sy mpikirakira ity blaogy iraisana ity ary tsy hilefitra manoloana ny kitoatoan-kevitra sy fihantsiana bontolo. Hatreto dia tokana ny ahafahana mifandray amin'ireo mpandini-dahatsoratra sy manolotra lahatsoratra na votoaty dia amin'ny alalan'ny mailaka admin@zarateny.org

Na izany na tsy izany dia misy ny tsikera manokana avy amin'ny mpanoratra. Ekena tokoa fa tsara ny vokatry ny fandinihana lalina fa tsy maintsy lazaina ihany koa fa kamo ny mpamaky rehefa tsy mahatakatra izay tian'ireo mpanoratra holazaina, ary atahorana tsy hiverina hamaky intsony izy ireo rehefa be loatra ny zavatra tsy takatry ny besinimaro. Hatreto dia aleo tsorina fa somary very ihany ny mpanoratra amin'ireo votoaty nivoaka. Misy tokoa ny mahaliana ka maha-te-hamaky hatramin'ny farany fa misy ihany koa ny ahiako ho lasa misavoan-danitra loatra ka tsy tody hatrany amin'ny farany ny mpamaky avy eo satria tsy ao anatin'ny kapoakany loatra ilay zavatra avoaka. Tsy maninona, azo lazaina hoe tora-po ny fanamarihako, saingy raiso ho tsikera manatsara zavatra dieny ety am-piandohana. Misy manko ny lahatsoratra mety ho vitan'ny rohy tany amin'ny loharano nakana azy, indrindra raha hita an-tserasera izany loharano izany, no toa lasa ao anatin'ny lahatsoratra tanteraka. Azo atao anefa ny manazava azy tsikelikely ka mamoaka ny rohy, dia any ireo liana no manohy ny famakiana sy mijery ny antsipirihan'izay mety hahaliana, fa ny mpanoratra kosa hanasongadina izay tena tiany avoitra sy hanazava azy ho takatry ny besinimaro.

Trafon-kena ome-mahery izao resaka izao, ka am-bava homana am-po mieritra.


Jentilisa 20 mey 2015 amin'ny 21:52

 

 

Olombelona koa ny Merina

2015-04-22 @ 08:51 in Ankapobeny

Rehefa natory nandritra ny efabolana ny blaogy jentilisa dia mifoha indray ankehitriny. Tsy ny hevitra no tsy misy na ny zavatra tian-ko lazaina fa nilaozana nandany jiro tany amin'ny tambajotra an-tserasera tany. Azo atao hoe resaka tsy misy fotony satria very an-javony any fotsiny izay fandresen-dahatra natao, very fotsiny ny andro sy ny fotoana fa rehefa karohina hoe aiza moa no misy ny nanoratako zavatra toy izao dia tsy hita intsony satria natao hiresadresahana sy hampitana hafatra maika fotsiny izy ireny fa tsy natao handinihana lalina loatra.

Na raha misy ny fandinihana somary lalindalina ao amin'ireny tambajotra sosialy ireny dia pejy manokana ao anatin'ny tambajotra no ametrahana azy. Raha be mpamoaka hafatra ihany koa anefa io pejy manokana io dia mbola sarotra ihany ny mitady ilay vontoaty nokarohina. Vahaolana tsotra indrindra hatreto dia ny blaogy ihany. Na fotoana ela dia ela aza no nanoratana azy dia mbola azo atao ihany ny mikaroka azy amin'ny alalan'ny "fitadiavana" ao amin'ny blaogy manokana na amin'ny mili-pitadiavana amin'ny ankapobeny.

Tsy hoe hifoha indray fa hiova anarana ihany koa. Ny rohy itadiavana azy tsy miova fa ny anaran'ny blaogy no vaovao indray. Vita hatreo ny Maharesaka...Veto, tsy hita intsony ilay anarana VETO na Vaovao Eto an-TOerana. Tonga soa indray i Mpanohariana.

Fa maninona no "hevitra MPANOHARIANA"?

Tsy natao petatoko ilay anarana fa natao hampitandrina dieny mialoha fa hisedra ny tsikeranao, hisedra ny hevitrao, hisedra ny fahatezeranao ihany koa aza. Toetra iray tsapan'i Jentilisa ankehitriny fa misy ao aminy ao ny fananana fanehoan-kevitra toa mihantsy sy tia valy boraingona izany. Hatry ny fotoana nahasahiany niteny izay noheverina ho fady no nananany ny "hevitra mpanohariana" ka izay no antony nampisalorana indray izany anarana izany amin'ity blaogy ity.

Hevitra manafintohina voalohany

Nisy gazety iray izay andro maromaro lasa izay, namoaka lahatsoratra manafintohina ny mpamaky amin'ny hoe raharaha politika eto Madagasikara, lohalaharana ny Merina ary tratra aoriana ny Tanindrana. Izany hoe izay tsy Merina rehetra dia noraisina ho Tanindrana avokoa. Ny fahalalana tsy ampy ato amiko anefa no ilazako fa ny hevitra voalohany tamin'ny voambolana hoe tanindrana dia ireo mifanila tamin'ny Merina ka ao ny Betsileo, Bezanozano, Sihanaka, Sakalava... Taty aoriana (mbola tamin'ny androny fanjanahantany) vao nampiasaina tamin'ny ankoatra ny Merina ny voambolana ho Tanindrana fa very anjavony ny anarana Tantsiraka ho an'ireo mponina amorontsiraka rehetra.

Io lohatenin-gazety tamin'ny teny frantsay io ihany koa anefa no ahafahana milaza fa nivadika tanteraka ny kodiaran'ny tantaran'i Madagasikara tao anatin'ny roapolo taona. Hatramin'ny nanomezana antsika ny fahaleovantena ka hatramin'ny fitondran'ny Hery Velona dia fady teto Madagasikara, na ny marina kokoa dia nampinoana ny Malagasy fa tsy hisy na oviana na oviana izany hoe Merina izany ka ho lasa Filohan'ny Repoblika. Na ny Hery Velona tamin'ny 1991-1992 aza dia tsy sahy nanolotra kandidà Merina rehefa natao ny fifidianana filoham-pirenena satria natanjaka dia natanjaka io fomba fihevitra io. Izany no nahalany filoha an'i Zafy Albert tamin'izany fotoana izany.

Tsaroako tsara fa fahazaza, Repoblika Faharoa, dia fady ny milaza tena ho Merina imasom-bahoaka. Ny foko hafa rehetra afa-nanonona ny fiaviany avokoa ankoatra ny Merina. Raha vao misy ny Merina nahasahy niteny fa Merina izy alohan'ny maha-Malagasy azy dia tondroina avy hatrany ho mpanavakavaka sy extremista ary mpanohariana fahavalom-bahoaka. Ny hany alalana azon'ny Merina natao,ary ny Merina tao amin'ny AKFM no tena nampianatra azy dia hoe Malagasy aho, Malagasy isika rehetra. Hafa kokoa ny toe-draharaha raha samy norarana tsy hisy hahazo hiteny ny fiaviany na ny foko nisy azy ny foko rehetra teto Madagasikara.

Revolisiona goavana noho izany no vitan'ny Radio Feon'Imerina sy ny gazety Feon'ny Merina nahafahana nijoro ho sady Merina no Malagasy. Fanamelohana no saika azon'ireo fampitam-baovao ireo tamin'ny olona saingy Atoa Latimer Rangers kosa nahasahy niaro azy ireo imasom-bahoaka na dia tsy Merina aza izy. Vokatry ny revolisiona, tsy nilàna fidinana an-dalambe, no nahatonga fisian'ny Merina lany tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena teto Madagasikara, ny tsy maintsy nanolorana Merina hafa entina hanonganana io filoham-pirenena io ary ny mbola nisian'ny Merina iray hafa voafidim-bahoaka amin'ny alalan'ny fifidianana indray.

Vokatra hafa ankoatra izay dia sady tsy resy tondromaso eo anatrehan'ny hafa intsony ny Merina no tsy afa-mirehareha amin'izany ihany koa satria, toy ny olon-drehetra ihany, sady mety hahavita ny tsara indrindra ny Merina no mety hahavita ny ratsy indrindra ihany koa.

Jentilisa, 22 avrily 2015
      

Ny fomba fampiasana ny Google Fandikanteny

2014-12-15 @ 23:21 in Ankapobeny

Nalaza vetivety teo amin'ny Malagasy Mpiserasera indray ny fijoroan'ny "Google Translate" na "Google Traduction" amin'ny teny malagasy tamin'ity volana desambra 2014 ity. Tsorina fa efa hatry ny ela ny tena no nitady fitaovana an-tserasera na milina an-tserasera na ivelan'ny serasera ahafahana mametraka dikanteny malagasy ireo teny vahiny fantatry ny tena. Efa nampiasaina ny tahalan'ny "tenymalagasy.org" sy ny "freelang" fa tsy mahafa-po loatra satria samy manan-tompo ireo [misy fizakàmanana manokana] fa tsy mametraka ny teny na dikanteny hita ao ho fananana iombonana iaraha-misalahy na andraisan'ny besinimaro anjara ("crowdsourcing"); mahafinaritra ny zava-bitan'izy ireo fa tsy mahafa-po ahy manokana satria ao amin'ny tahala notononina voalohany dia tsy fantatra hoe nekena ve sa tsia ny tolo-kevitrao nanolotra voambolana iray, ary ao amin'ny faharoa kosa mbola tsy nahita fandikana ny teny anglisy ho amin'ny teny malagasy aho. Nihevitra manokana aho fa tsy manaraka andro loatra ny votoaty ao amin'izy ireo.

Nitady milina an-tserasera na ivelan'ny serasera ahafahana mampiasa indray ny dika efa vita

Mitady fivoarana haingana dia haingana aho ary avy amin'ny tahala ahafahan'ny besinimaro mandray anjara mavitrika ihany no fomba ahafahana manajary izany fivoarana haingana izany, ahafahana mampiely haingana sy mampiasa ireo voambolana teknika sy teknolojika na an-tserasera hitan'ny mpiray tanindrazana na mpakamamy ilay tenindrazana iombonana, na ireo teny sarotra ho an'ny mpiray tanindrazana ny mitadidy azy. Tsy manampahaizana sady tsy manam-potoana hananganana rindrambaiko ahafahana mitahiry ireo voanteny vaovao na mahazatra, eny fa na mety ho tsy fampiseho masoandro noho ny fitaizana napetraky ny misionera vahiny ny tena ka ny tao amin'ny "google translate" ihany no tena nikirizako itadiavako lalana hoe ahoana no ahafahana mitahiry ireo teny nandikana ireo teny vahiny lasa gasiana fotsiny matetika.

Ny tena tao an-tsaiko voalohany raha nikaroka rindrambaiko na milina aho dia hoe ahoana ny fomba ampiasàna indray ireo lahatsoratra ao amin'ny Global Voices Online teny malagasy ho amin'ny fandikanteny avy amin'ny teny anglisy ho amin'ny teny malagasy farafaharatsiny. Mbola ny teny anglisy aloha no teny iraisampirenena voalohany sy maharaka [ny toetr'] andro ka rehefa voadika amin'io teny io ny tenintsika Malagasy dia mora kokoa ny handikana azy ho amin'ny tenim-pirenena maro dia maro na mba efa fantapantatra ratsy eo ny tian-kolazaina. Tsy mbola nahita aloha aho hatreto ary tsy mbola nisy nilaza fa dia hanomboka na hanohy miaraka amin'ity "google traduction" amin'ny teny malagasy ity aloha no akaiky indrindra hatreto.

Lalana izorana hanatsarana ny dikanteny ao amin'ny google

Sahirantsaina ihany ny tena rehefa mahita fa izay teny rehetra sarotsarotra dia voadika ho zavatra daholo na inona na inona. Hitako hatreto amin'ny fotoana nanoratana fa ny dika mandeha ho azy rehefa hamadika pejy iray ho amin'ny teny malagasy amin'ny "application" dia "zavatra" [mariho fa mamadika pejy iray ho teny malagasy no lazaiko hatreto fa tsy ilay fafana fampiasantsika izay ahitana ny "fampiharana" nefa mety hahaliana ihany koa ny "rindranasa". Ny voambolana "application" anefa tokony tsy ho azo gasiana fotsiny amin'izao noho ny fisian'ny litera "c" izay tsy tafiditra anaty abidia malagasy amin'ny fomba ofisialy, tahaka izany ihany koa ny mi-"tweet", mi-"facebook" sns. Noho izay toe-javatra izay dia tsorina fa tsy mifanaraka amin'ny toe-tsaina mamatam-bonona mihitsy ny tokony handraisana ity "google fandikanteny" ity fa mbola vao mandavaka sy mametraka ny fototra isika, izany hoe mbola lavitra dia lavitra ny lalana. Tsy maintsy misy fandraisana anjaran'ny daholobe manana fahalalana momba ny teny adika sy ny vokatra mivoaka izany rehetra izany. Mariho izany fa tsy maintsy mandray anjara amin'ny fanatsarana ianao raha tianao ny hahahaingana ny fivoaran'ity milina ity. Tsy manampahaizana aho fa izay efa hitako sy nataoko ihany no tantaraiko aminareo.

Voalohany: miditra na manangana kaonty google vaovao

Mety misy ihany ny fahafaha-manitsy ireo fehezanteny nadika sy ny fehezanteny nivoaka fa ny tsaratsara kokoa, araka ny fihevitro manokana izay mety ho diso, dia entina ijerena ny mahamatotra ny firotsahana an-tsitrapo ho amin'ny fandikana nataonao ny miditra amin'ny kaontinao ao amin'ny google. Mba mety ho hitany ihany koa ny fahavitrihanao na mba mety ho faly amin'izay vitanao ihany koa ianao amin'ny fametrahana an-tserasera ny fandikanteny ho amin'ny na avy amin'ny teny malagasy.

Faharoa : miditra amin'ny pejy "google translate" na "google traduction"

Tsy maintsy miditra amin'io pejy io ianao raha hijery ilay fandikanteny. Azonao atao ny manao fandikana kapo-batana eo amin'ny fafana fa misy lalana iray hafa azo atao ihany koa, sady toy ny lalao ilay izy no mila saina mieritreritra ihany koa. Aza asiana na inona na inona eo amin'ny fafana ankavanana sy ny fafana ankavia. Eo ambanimbany eo somary afovoany misy fanamarihana hoe "Google fandikanteny ho an'ny orinasa..." eo ambonin'io misy soratra voaravaka loko mavomavo manao hoe "Please help Google Translate improve quality for your language here". Miloko hafa ny voambolana "here" ka io no tsindrio fa ho tafiditra ao amin'ny "Community" ianao. Eo amin'izay misy lohateny hoe "My languages", tsindrio io raha tsy efa misokatra avy hatrany ilay izy. Nasaina nisafidy teny moa aho ka telo no notsindriako dia ny Anglisy, ny Frantsay ary indrindra indrindra ny Malagasy. Vita izay safidinao dia "tehirizo" (Save na Sauvegarder).

Sady lalao no fanitaran-tsaina ilay "Improve Google Translate"

Zavatra telo no azonao atao rehefa tafiditra ao ianao, na mandika teny (soratra) na mitsara na manamafy, na manao ny roa amin'ireo telo ireo na manao azy telo mitambatra mifandimby. Rehefa mahavita maromaro ianao dia azonao jerena ny antontanisan'ny vitanao amin'ny fanindriana ny rohin'ny "My Answers". Raha mandika ianao ka mahita teny mbola tsy fahitanao dia azonao atao ihany ny mijery amin'ny ankihy - kiheba (onglet -tab) iray hafa ny google translate dia mijery ny ambaran'ny rakibolana eo ambany eo na mijery ny dikany amin'ny teny frantsay na teny hafa manavanana anao (ankoatra ny teny malagasy kosa angamba an!)

Na dia mety ho tsotsotra aza ireo nambarako ireo dia efa lavalava ihany ary mety mampihazakazaka mankany amin'ny fanatsarana ny dikantenin'ny milina koa dia mazotoa daholo ary!


Jentilisa 16 desambra 2014

Zavatra hafahafa talohan'ny hetsiky ny #wakeupmadagascar

2014-12-06 @ 23:02 in Ankapobeny

Na dia tamin'ny alalan'ny facebook ihany aza no sehatra voalohany nampitàn'ny mpiombon-kevitra tao amin'ny #wakeupmadagascar ny hetsika milaza fa hanomana tohivakana ataon'ny olompirenena ry zareo, ary herinandro teo ho eo no nanapahana sy nilazàna tao amin'ny pejy ny fotoana, dia nisy akony ihany ilay tohivakana nokarakarainy sady tsy nohamaivanin'ny mpifehy ny tanàna na oviana na oviana sy ireo vondro-tafika mpiaro azy ny ho fiantraikany fa efa niomana fatratra ry zareo. Noheveriny fa hisy ny fidinana hanitsaka io arabe io, noheveriny fa hisy ny kiakiaka na savoritaka na tabataba, noheveriny fa hisy ny kabary na fivorivoriana tsy amin'antony... saingy tsy araka izay noheveriny ilay zava-mitranga satria tsy azony tsara ny fandehan'ilay resaka.

Mifanindra-dalana tamin'ny fanomanana ity hetsiky ny Asabotsy 6 desambra ity dia hilaza aminareo ny zava-nitranga nialoha izay niainako aho. Nosoratana hahatsapantsika hoe tahatahaka ny ahoana ny zavanisy, na tahatahaka ny ahoana ny niainako ity herinandro ity, ka izay mifandraika indrindra amin'ny tohivakana nomanina no resahiko. Na andeha lazaina hoe izay heveriko fa misy mifampiditra amin'ny fahatapahan'ny facebook tamin'ity herinandro ity fa tsy kisendrasendra mahavalalanina ilay izy. Ny an'ny TGN na izay fantatry ny besinimaro amin'ilay hoe mpanao servisy Telma no resahina satria izay no nahitako ny tsikaritra.

Voalohany, ny alakamisy nanomboka atoandro dia saiky tapaka avokoa ny clé telma rehetra tamin'ny faritra maro, indrindra fa ny teto Antananarivo. Mariho fa tsy mahafantatra ny an'ireo clé hafa aho na dia nisy aza ny nilaza tamiko fa nitrangàna olana ihany koa ny an'ny orange ohatra, tsy dia nino izany loatra aho fa izay hitako ihany no tantaraiko. Nisy tamin'ireo sampana nampiasa clé telma (roa na telo) no namadika ny azy ho clé orange na clé airtel ahafahana mifandray amin'ny lohamilina (serveur) fa tsy nahavaha olana izany fa ilay telma ihany aza no nety nifandraisana tamin'ny farany. Toy ny tsy nisy intsony izany olana voalohany notantaraiko izany rehefa nanomboka ho maizina ny andro.

Faharoa, nifoha maraina aho ny zoma ary dia niditra facebook. Akory ny hagagana fa ela dia ela vao tafiditra ary lasa ratsy endrika ny tao anatiny rehefa nahatafiditra ny tenimiafina. Tsy afa-naneho hevitra tany amin'ny satan'ny olon-kafa na tao amin'ny satako aho fa ny "like" sy ny "share" kosa azo natao ihany. Azo natao kosa anefa ny nametraka sata hafa. Ny azo marihana ihany koa dia tsy hita intsony ny mari-panondroana ahafahana mivoaka amin'ilay tambajotra Facebook fa dia akatona amin'ny "X" mena etsy ambony fotsiny. Raha misy anefa olon-kafa hiditra facebook aoriako dia ho tafiditra avy hatrany ao amin'ny pejiko izay tsy azoko nakatona izy. Mampidi-doza izany amiko fa soa fa tato an-trano ihany no niserasera.

Nivadika tambajotra an-tserasera aho taorian'izany izay ahafahako mikirakira ihany koa ny votoatin'ny facebook-ko sy ny tambajotra an-tserasera hafa fa dia tafiditra soa aman-tsara tsy misy olana... misosa soa aman-tsara. Talohaloha tany anefa raha nanao izao fomba izao aho ka idirako avy ao ny facebook dia milaza aminao fa tsy afa-miditra ao amin'io "tambajotra" facebook io ianao. Taoriana kelin'izany olana tsy fahazoana miditra "facebook" na serasera hafa izany anefa dia ahitana hatrany ny vaovao iraisampirenena fa nanana olana tokoa ny lohamilin'ny facebook na tambajotra hafa efa nisedra olana tahaka izany. Teto anefa tsy nitranga izany karazana olana izany fa tena tafiditra soa aman-tsara aho. Tsy iraisampirenena noho izany ny olana raha misy fa anatiny, izany hoe eto Madagasikara ihany. Efa nampieritreritra.

Tamin'io andron'ny zoma maraina io dia ny facebook ihany no toa manana olana fa ny hafa kosa toa misokatra vetivety ihany, indrindra fa ny habaka iraisampirenena. Nony tonga ny atoandro dia niditra YouTube indray aho fa raha mandeha ilay izy amin'ny voalohany dia manodidina ny 10-30 segondra ihany no misosa ny fijerena sary fa mihantona avy eo ary tsy mihetsika intsony. Efa nanahinahy aho fa hisy fahatapahana ity raharaha ity. Kanjo inona tokoa...tokony ho tamin'ny dimy ora hariva teo ho eo (mety ho alohany na mety ho aorianany ihany koa!) dia nihanihisatra tsikelikely avokoa ny tranonkala (habaka) iraisampirenena rehetra ary tsy tafiditra intsony izay [.fr] na [.com] na [.org] rehetra avy eo fa mbola nisokatra tsy misy olana kosa ny habaka [.mg].

Nandefa fampilazana ny tao amin'ny TGN fa manana olana eo amin'ny hosina anelanelan'Ihosy sy Ambalavao. Ny tsikaritra anefa tamin'io fotoana io dia mbola afa-nifandray tamin'ny lohamilina avokoa ny sampana rehetra nanerana an'i Madagasikara na clé no nampiasainy na Adsl fa toerana iray tao Toliary ihany no tsy afa-nifandray tamin'ny lohamilina... tsy nanana olana toy izany anefa ny faritra hafa tao Toliary tao ihany. Fantatsika fa avy ao Toliary no miditra eto Madagasikara ny Hosina ampiasain'ny Telma. Misy fahatapahana tokoa ve ny hosina teto Madagasikara? Mila manampahaizana aho hamaly satria mety ho tsy takatry ny lohakeliko ny tena fandehan'ny raharaha sy ny mahalôjika izao fandehan'ny raharaha izao. Tsy tafiditra habaka iraisampirenena intsony ny tena na dia ny alimben'ny zoma hifoha asabotsy aza.

Tonga ny Asabotsy maraina. Nivaha avokoa ny olan'ny habaka iraisampirenena rehetra fa mbola nitoetra hatrany ny "olan'ny facebook" efa notantaraiko tetsy ambony. Afa-manoratra sata sy manao "like" sy "share" fa tsy afa-maneho hevitra amin'ny sata na pejin'ny olon-kafa. Rehefa tontosa kosa anefa ny hetsika nataon'ny #wakeupmadagascar dia niverina tamin'ny laoniny soa aman-tsara ihany koa ny facebook ary tsy nisedra olana ihany koa ireo habaka iraisampirenena hafa. Dia azo heverina fa tena kisendrasendra mahatalanjona ve ny fahatapahan'ny facebook tao anatin'ny telo andro raha niaina ireo toe-javatra ireo ianao? Aleo ny mpamaky ihany no hamoaka ny tsoa-kevitra.



Jentilisa 07 desambra 2014

Iza no tena dahalo?

2014-11-16 @ 11:01 in Ankapobeny

Hatry ny ela dia ny dahalo no malaza amin'ny resaka fampijaliana olona sy ny fampirohorohoana. Fa misy ihany koa ireo olona any amin'ireny toerana anjakan'ny dahalo ireny no milaza fa misy koa ireo lazaina ho mpitandro ny filaminana no mihoatra amin'ny fahefana ataony ka mamaky trano sy mandroba ny fananana kelin'ny olona ary mamono na midaroka ihany koa. Nanokatra fahalalàna bebe kokoa momba ny toe-draharaha teto Madagasikara ny fandaharana iray tao amin'ny fahitalavitra tamin'ny faran'ity herinandro ity. (rohy youtube)




Tao amin'ny fanavazavan'Atoa Latimer Rangers, mpanao gazety fanta-daza tamin'ny fandaharana iray tamin'ny onjampeom-pirenena nandritra ny repoblika faharoa antsoina hoe "Tanàna, lalana sy havoana mena masoandro" izay matetika tratran'ny sivana mahery vaika ka nandefasana io fandaharana io ho amin'ny alimbe heverina fa tsy misy mihaino intsony no nahafantarako ny lanjan'ity lahatsary iray eto ambany ahitana ny fampijalian'ny miaramila ireo olona mirahalahy noho ny fitondrana ody sy ny tsy fitondrana pasipaoro ity: (rohy youtube)



Hampisy ny fahazoan-dresaka tamin'ny fanamafisana nosoratan'Atoa Latimer Rangers hoan'ny gazety nasionaly iray eto an-tanindrazana fa tonga dia azo tondroina ho dahalo, na malaso, avokoa ny lehilahy rehetra mitondra moara, ody, rojo, fehin-tanana. Dia indro porofoin'ny sary ihany fa dia mahazo daroka mandritra ny famotorana azy ireo ny olona nitondra moara na ody any amin'ny toerana tsy misy andriamanitra (lavitr'andriana hoy ny fiteny efa tokony ho ntaolo saingy mbola azon'ny besinimaro mandraka ankehitriny). Fanendrikendrehana miteraka fanosihosena ny zon'olombelona sy ny hasiny. Anisan'ny mampihoron-koditra indrindra ihany koa ny fandrenesana fa isak'izay hivoaka ny tananany ny olona any amin'ireny faritra ireny dia tsy maintsy maka pasipaoro any amin'ny lehiben'ny fokontany, na dia hamonjy tsena fotsiny aza, voahosihosy tanteraka ao anatin'izany toe-javatra izany ny zo hivezivezy malalaka eto amin'ity tanindrazantsika ity. Misy ve noho izany ny sokajin'olona voafetra tanteraka ny fahazoany mivezivezy?

Ny lahatsary farany atolotra antsika dia fijoroana ataon'ireo olona niharan'ny antsojay nataon'ny miaramila nolazaina fa nanatontosa "opération" na izay soratanay amin'ny teny malagasy hoe "bemidina" hanakanana ny asan-dahalo nefa toa lasa mibolisatra tamin'ny iraka nampanaovina azy ireo. (rohy youtube)

 

 


Taorian'ireo natolotra anareo ireo dia tsara ny mijery amin'ny zoro hafa ny momba ireo lazaina fa "dahalo niova fo, kotro tonga saina, dahalo milavo lefona" ireo.

.

.

.

Jentilisa 16 novambra 2014

 

Lalao sy Tojo Ravalomanana: Ilay fanakanana - fandrarana naharitra ora vitsy!

2014-10-18 @ 09:00 in Ankapobeny

 

Amin'ny fotoana anoratako ity lahatsoratra ity dia mbola tsy nahita izany gazety izany aho. Na voalaza an-gazety na tsia dia tsy maintsy tahirizina ihany ny raharaha na dia manjavozavo tanteraka aza tamin'ny fotoana nanoratana. Tonga teto an-tanindrazana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nanao valandresaka tamin'ny mpanao gazety izy ary nalaina an-keriny tao an-tranony noho ny filazana fa nanao teny fihantsiana izy nandritra izany valan-dresaka izany : "Tsy mahandry izany 2018 izany aho...". sns...

Navezivezy amin'izay ilay filoha teo aloha, ho fiarovana ny tenany, tsy nomena raha tsy efa ora maromaro aty aoriana ny toerana hametrahana azy. Tamin'ny voalohany dia noheverina fa natoka-monina tetsy Arivonimamo na tao Mantasoa na tany Ambatolampy ny filoha teo aloha, saingy nisy ihany ny nahatsikaritra fa nandeha niakandrefana, lalam-pirenena fahaefatra, ilay fiara nitondra azy. Avy eo nisy ny nitantara fa noraisin'ny angidimby tao Maevatanana ilay olona ary nentina tao Mahajanga, tao no nameno solika ilay angidimby ary niato kely tao Antsohihy ary niafara tao Antsiranana ny takariva. Nisy nanoratra avy eo fa natodi-doha ho any Morondava indray ny dia rehefa tonga ny ampitso maraina, toa miandry fankatoavana ny hamerenana azy any Afrika Atsimo, saingy niverina nankany Antsiranana ihany nony farany, tsy nanaiky ny hamerenana azy any Afrika Atsimo ny tany. Teo ny fianakaviana isoloan'ny vadin'ny filoha teo aloha tena sy ny zanany lahimatoa nanapa-kevitra ny hijery azy any amin'ny toerana anokana-monina azy ao amin'ny tobin'ny BANA ao Antsiranana.

Nanokana fotoana handehanana any ary izy mianaka voatonona teo, saika hiainga ny folakandro saingy voalaza fa mbola tsy ara-dalàna ilay fiaramanidina saika handehanana. Voatery ny ampitso maraina indray vao manainga. Tonga tany dia nisy ny fihaonana, voalaza fa indray mandeha ihany no mahazo mihaona. Tsy fantatra ny fahamarinan'izany fa dia izay no lazain'ny fianakaviana. Voalaza ihany koa fa efitra tokana sady ahitana fandriana no ahitana toera-pivoahana sy fisasana no nametrahana ilay filoha teo aloha ary mihidy avy any ivelany ny efitra misy azy. Nanambara izany ireo olona nandeha tany fa hanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety rehefa tody eto an-drenivohitra indray. Miteraka olana ho an'ny mpitondra izany toe-javatra izany, andro zoma mialoha ny asabotsy no anatontosana ny valan-dresaka. Na ny mpanohana na ny ao amin'ny fitondrana dia samy mahafantatra ho azy, noho ny zavanisy teo aloha fa ity andro asabotsy ity no andro saropady indrindra ho amin'ny fitohizan'ny tolona na ijerena ny laza sy ny fanarahana ilay olona nohidiana atoka-monina.

Noho ny fitandremana be loatra ve sa noho ny fanambarana amin'ny onjam-peo niantsoan-dRamatoa Ravalomanana ny vahoaka malagasy hijoro noho ny tsy fametrahana amin'ny tokony ho toerana sahaza azy ny vadiny, izay azo raisina ihany koa ho fiantsoana ny olona hidina an-dalambe, fa dia tsy navela hitody eto Antananarivo ry zareo. Mody nolazaina tamin'ny Malagasy mpanara-baovao fa ny fiaramanidina no tsy afa-mandeha nefa tsy voafitaka amin'izany i Tojo niantso mpanao gazety tany Afrika Atsimo tamin'ny finday :
"Tafahitsoka eto Antsiranana izahay. Tsy gadraina izahay fa arahin'ny miaramila maso - manao fanamian'olon-tsotra ny sasany amin'izy ireo." Tsy tian'ny fanjakana hanatontosa ilay valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety nomanina ny atoandro ry zareo dia mody any amin'ny zavatra hafa no lazaina misy fahasamponana. Nilaza mivantana ny Inner City Press fa voarara tsy mahazo mody an-drenivohitra ireo ao amin'ny fianakaviana nitsidika ny filoha teo aloha.

Tranonkala iray eto an-tanindrazana indray, sady mitondra ny anaran'i Lalao Ravalomanana rahateo, nahasahy niteny fa tsy mahazo alalana  hifandray amin'ny any ivelany (amin'ny hafa?) ry zareo tamin'ny telo latsaka fahefany folakandro [zoma] rehefa nahavita ilay antso tao amin'ny radio Antsiva nandritra ny vaovao amin'ny iray latsaka fahefany ary tsy mahazo mivoaka ny tanànan'Antsiranana. Niala izany fandrarana rehetra izany rehefa tonga ny tamin'ny enina ora hariva ary afaka mandray ny zotram-piaramanidina mahazatra ry zareo. Dia izay no fitantaran'ny sasany io andro zoma 17 oktodra io.




Jentilisa 18 oktobra 2014

Sakatsakana mampihomehy!

2014-09-10 @ 19:33 in Ankapobeny

Raha nisy fotoana nalaza ny fitokonan'ny mpianatra teny Ankatso sy ny gidragidra fifampitorahana teo amin'ny mpianatra sy ny mpitandro ny filaminana, noho ny gafigafy nataon'ny heverina ho olon-kafa voakarama hanakorontana sy eritreretina fa hamadika ilay tolon'ny mpianatra ho politika, tsy hita intsony ny lavenon'izany ankehitriny satria nisy ny vatsim-pianarana nozaraina. Nisy ny gidragidra toy izany ihany koa teo amin'ny mpianatra any amin'ny farintany fa tsy henoheno loatra ny momba izany amin'izao fotoana izao. Tsy mba toy izany kosa ny an'ny mpampianatra FRAM hatreto. Toe-draharaha mifanohitra amin'izay heverina no hita.

Amin'ny ankapobeny dia mora milefitra ny mpiasa, na ny tsy mpianatra intsony, satria efa mamelom-bady aman-janaka, mbola kely anaka, efa manana fandaniana. Rehefa mihatra hatrany amin'ny tsy fahazoana karama intsony manko ny tolona dia tsy hanana hery hanoherana intsony ny mpikarama. Raha eritreretina tsotra toy izany ny zavamisy dia hatramin'ny volana oktobra no tena ho hita ny herin'ny tolona ataon'ny mpampianatra FRAM mitokona. Efa mba nandre resak'olona ihany aho fa tsy mpampianatra FRAM eto an-drenivohitra no tena mikiribiby manohy ny tolona fa ireo an-tany lavitra ka izay lafiny izay no tsy hanaikinekeny fotsiny izao ny ho resy. Manana olom-pantatra ihany ny tena nanao io asa io fa tena fadiranovana ireo olona ireo, satria mba mampianatra taranaka Malagasy dia manana fahamenarana tsy hangataka an-dalambe fa karazany mitety ireo olona antenainy ho malala-tanana mahatsapa ny andavanandron'izy ireo. Fa tena ontsa dia ontsa ny fo rehefa mieritreritra hoe olona efa lasa "mpangataka" (tsy ankarihary) ve no mpampianatra ny zanakao? na mpampianatra ny maro an'isa amin'ny zanaky ny mpiray tanindrazana aminao?

Noho ny fahitana izany toe-javatra izany dia tsy afaka ny hieritreritra hanesoeso na hanohitra izay fitakiany ny tena. Mariho fa efa an-taonany ireo olona ireo no nitolona ka nahatonga hatrany amin'ny drafitra hampidirana ho mpiasam-panjakana ny 10.000 amin'izy ireo saingy mazava loatra fa tsy hahafa-po azy ireo izany raha miohatra amin'ny isany amin'izao fotoana izao. Hatramin'ny nanombohan'ny fialan-tsasatra ireo no nihanavitrika satria izay no fotoana tsy ampianarana sy tokony hanaovana ny tolona. Efa nisedra baomba mandatsa-dranomaso izy ireo ary efa niharan'ny fisamborana sy ny herisetra ny iray amin'ny mpitarika amin'izy ireo. Raha izay mpitarika efa nosamborina sy nampijaliana izay no mbola mifikitra amin'ny fanaovana ny tolona (araka ny nahitako azy tamin'ny fahitalavitra) dia efa vonona hatramin'ny farany izy, na manana fikendrena tokoa ny ho tafiditra ho mpiasam-panjakana mazava hoazy.

Rehefa nanao ny fitakiana teo amin'ny minisitera ary izy ireo no voatosi-bohon-tanana dia mazava loatra raha hitodika any amin'ireo olom-boafidy mivantana eto amin'ny firenena (na tena voafidy tokoa ireo na noho ny halabato no nahavoafidy azy ireo). Tsy tokony hatao mahagaga raha nisy ny fikasana hizotra ho any Tsimbazaza hizotra ho eny amin'ny Lapan'ny Antenimieram-Pirenena. Misy lalan-kevitra mazava tsara ao anatin'izany, ka izay no mampihomehy amin'ny zandary teo Ankadilalana tamin'ny nanakanana ny arabe tsy hizoran'ireo olona ireo hoany. Tsy misy tokony hanakananao ny olona hiresaka amin'ny olom-boafidiny ankoatra ny hoe tsy te-handray azy ireo ihany koa ny olom-boafidy atoniny. Hanakana ny fifampiresahana eo amin'ny mpidify sy ny olom-boafidy ve ianao satria hoe mpitandro ny filaminana? Moa ve tsy izany fanakanana ny tsy ifandraisan'ny mpifidy sy ny olom-boafidy izany indray no antsoina hoe fanakorontanana tsy afaka am-bavan'ireto karazan'olona ireto? Tsy handroba ireo ary tsy hanakorontana ka diso toerana ilay fepetra henjana lazaina, fepetra jadona no anaran'izany fa tsy fepetra henjana.

Ny fivoarana hita tamin'ny nataon'ny zandary kosa dia ny tsy nampiasana ny baomba mandatsa-dranomaso tamin'ity fotoana ity fa ny kobay sy ny ampinga no tena novononina. Mazava loatra fa raha resaka fifanosehana dia tsy hitovy ny hery eo amin'ny zatra fanazaran-tena sy mpikotrana lava sy efa nahazoazo habe sy ny olona efa zatra nihafy, manifinify sy fohy ary mifanakaikikaiky ny isan'ny olona. Fa mahalasa eritreritra ny mpitazana kosa ny mahita izany habe sy halava tsy dia mitovy izany, efa fantatra tsinona fa tsy hahavita herisetra na oviana na oviana ny olona efa manambady aman-janaka sy efa tsy mijery ny hoaviny intsony fa efa any amin'ny taranaka indray ny saina. Ny tena kosa moa eto dia ny manoratra ihany no atao mba hisy ny soratra vavolombelona rahatrizay.




Jentilisa, 10 septambra 2014

Aiza ho aiza marina ilay Taombaovao Malagasy?

2014-07-28 @ 22:24 in Ankapobeny

Raha ny marina dia setrin'ny lahatsoratra iray mivoaka ao amin'ny Facebook ao ity zavatra nosoratako ity. Setriny ao amin'ny Facebook fa tiako hotehirizina sy ho mora hitan'ny rehetra ka dia adika petaka avy hatrany :

 

Manameloka ny lainga! 

Raisiko ny nosoratan'ny manonona azy ho Taombaovao Malagasy ary avy amin'ny nosoratany no entiko hanoherana azy! Mariho fa izaho izay manoratra dia momba ilay hoe ny Taombaovao Malagasy dia mifanandrify hatrany amin'ny Aid El-Fitr ankalazain'ny Silamo, ary avy amin'Andriamahazonoro sy ny namany noraisin'Andrianampoinimerina no niavian'ilay fankalazana ny Taombaovao Malagasy soratako etoana io.

Ao anatin'ny fanazavana nosoratany moa misy filazana manao hoe: "Efa nentinay ihany koa ny porofo amin'ireo taratasimpanjakana nifanaovan'ireo Governora sy ny Pm Rainilaiarivony sy ireo Governora sy ny Printsy Ramahatra teo amin'ny taona 1894 - 1895 sy 1896 fa nandritra ireo taona ireo dia mifanandrify hatrany amin'ny martsa na aprily ny volana alahamady araka ny fanisan'andro ofisialy ny fanjakan'i Madagasikara, taratasimpanjakana voatahiry ao amin'ny arsivampirenena. Tsy hiroharoa saina intsony isika ny amin'ny tokony hamerenana ny fankalazana ny taombaovao malagasy isaiky ny tsinambolana akaiky ny 21 martsa izay anaty fararano tanteraka satria efa io ny porofo mitohoka amin'ny tendany fa tamin'io vanimpotoana fararano io no miandoha ofisialy ny taona malagasy taloha nahalasa zanatany an'i Madagasikara" 

Nolazainy fa nifanandrify hatrany tamin'ny volana marsa na Aprily ny alahamady araka ny fanisan'andro ofisialin'ny fanjakan'i Madagasikara tamin'ireo taona telo notononina: Mariho ary fa ny taona 1894 dia 8 marsa no nanomboka ny volana Ramadany ary ny 7-8-9 avrily kosa no nankalazana ny Aid-El-Fitr ary amin'io daty io ihany koa no nankalazana ny taombaovao malagasy (alahamady) 

Mariho indray fa ny taona 1895 dia ny 26 febroary no nanomboka ny volana Ramadany ary ny 28-29-30 marsa kosa no nankalazana ny Aid-El-Fitr izay ankalazana ihany koa ny taombaovao malagasy "araka ny ny fanisan'andro ofisialy ny fanjakan'i Madagasikara, taratasimpanjakana voatahiry ao amin'ny arsivampirenena"

Ny taona 1896 indray dia ny 15 febroary no fanombohan'ny volana Ramadany ary ny 16-17-18 marsa koa ny Aid-El-Fitr... Ny taona 1897 indray dia ny 5 febroary no fanombohan'ny volana Ramadany ary ny 5-6-7 Marsa kosa no ankalazana ny Aid-El-Fitr. 

Noho izany, raha misy ny manoratra fa tamin'ireo taona telo notononina ireo dia manakaiky ny 21 marsa hatrany ny volana alahamady dia azo atao tsara ihany koa ny mamaly fa nifanandrify tsara tamin'ireo taona telo ireo ihany koa ny Aid-El-Fitr nampanandrifiana tamin'ny lazaintsika ho taombaovao malagasy... Am-bava homana am-po mieritra.

Ankoatra izay: Aid Mubarak hoan'ny Miozolomana rehetra!

Loharano iray hafa nakana ny datinandron'ireo taona voatonona ato

Endrikendreho Daholo Ary e!

2014-06-23 @ 22:15 in Ankapobeny

Misy ny tranga manafintohina indraindray ary ny tena koa fantatra fa mba manana hambo ihany ka manala baraka tanteraka izany hoe ho antsoina na hotadiavin'ny polisy ny tranonao hanaovana fanadihadiana anao izany. Toy izao manaraka izao ny fandehan'ny tantara : nisy fivoriana (lanonana) tsotsotra sambany mba nandehanana tamin'ny faran'ny herinandro teo satria noheverina fa mahaliana ny zavatra atao any. Misy zavatra maromaro any : tafatafa na fanoroan-kevitra, fampilalaovana sy fampandihizana ny ankizy, fifanolorana fanomezana, tsakitsaky, fanalana hetaheta... Vita izany rehetra izany dia lasa nody izahay. Izaho moa mbola nisy asa natao ka nanatitra sy naka an-dramatoa ihany no tena natao.


Vita ny sakafo atoandro dia nisy niantso, nilaza fa nisy fakantsary avolenta iray very ka mety ho tonga aty aminay ny polisy hanao fanadihadiana anay. Talanjona tanteraka tamin'ilay toe-javatra fa tena tezitra kosa satria mba sambany tonga ianao no misy toe-javatra tahaka izany no mitsena anao. Tezitra satria tsy miafina fa dia ao anatin'ny ahiahiana izany izahay matoa nandefasana izany teny izany tamin'ny antso. Nisy olona iray fantatro nanatrika tao ihany koa ka nisy fomba nahazoako niantso azy nanontany azy ny amin'ity vaovao ity. Gaga izy raha nilazako ilay izy ary namaly fa tsy naharay antso kosa hatrmin'io ora niantsoako azy io. Tsy fantatra moa izay fomba nataon'ilay tompon'ny fakantsary sady anisan'ny mpikarakara satria raha misy laharana ilay izy dia laharana faramparany ny anay, sa ny laharana farany ve no nantsoina voalohany? raha araka ny laharana izany dia tokony ho voalohandohany izahay na faramparany. Raha araka ny olona ahiahiana sy tsy ahiahiana indray dia mazava izany fa ao anatin'ny ahiahiana izahay. Ny fomba iahiahiana ny anay moa tsy mazava nefa ny hafa tsy nantsoina.


Ny zavatra mahasosotra iray faharoa dia ny fifikirany fa ao amin'ny mpikambana no naka ilay fakantsary fa tsy nisy filazana nataony mihitsy kosa hoe ary raha mba amin'ny mpiara-miasa aminy itodihana voalohany rehefa hiahiahy ihany. Mahasosotra miaraka amin'izany dia ny fomba famalin'ireo mpikambana sasany izay tsy tonga tao milaza hoe ampanantsoina daholo izay rehetra tonga tao hohadihadiana. Raiso amin'ny toeranao ary hoe tonga tao ianao dia ampanantsoina na tongavan'ny polisy any an-tranonao na tadiavina any amin'ny fokontany ny misy ny tranonao. Ny olona ve mahalala izay tena marina fa dia halaza ao amin'ny fokontany iray manontolo ianao hoe tonga ao aminao ny polisy hanao famotorana anao. Dia eritrereto sahady ny fahafaham-baraka mihatra aminao. Mariho avy hatrany fa tsy maintsy misy fihavanana simba sahady eo na nangalatra ilay olona na tsia.


Raha sanatria tonga tokoa ary ny fampiantsoana sy ny karazany, dia raha olona telopolo, ohatra, no ahiahiana sy nampanantsoina, nefa iray na roa no nangalatra. Hanao ahoana moa ny ho fihetsiky ny 29 na 28 ambiny? Misento fa afa-doza? afa-doza amin'inona anefa satria tsy nanao heloka izy? Raha izaho manokana ny ao an-tsaiko dia hoe ity ramatoa ity izany efa niahiahy na nieritreritra ahy ho nangalatra ny fakantsariny, izany hoe eritreretiny fa mpangalatra aho izany ka ny hangalatra no nidirako tamin'io fikambanana io. Tsy ho tonga amin'ny fivoriana manaraka ve aho sa tsy maintsy ho tonga nefa tsy maintsy hilaza ny alaheloko kosa hoe fanimbazimbana ahy kosa ny hieritreretanao ahy ho mpangalatra. Sa ny hametraka fitoriana ho setrim-pitoriana hoe nanao fanalam-baraka ahy? Raha ianao: Ahoana ny hevitrao?

Jentilisa, 24 jona 2014

Lakolosy sy Trondro (Ary lakile)

2014-05-07 @ 09:56 in Ankapobeny

Tsy hiresaka lakile intsony indray aloha fa efa miova zavatra hafa indray izao ny malaza eto amin'ny tanàna, niainga tamin'ny tolona famerenana ny ara-dalàna tamin'ny 2009 iny resaka iny no lasa hira milaza tantaram-pitiavana manambara fa izy no tompon-toerana. Noho ny vanim-potoana sy lazan'ny lakile anefa dia nambarany fa izy no tompon'ny lakile.



Niainga sy nifandraindraika tamin'izany ihany koa ny resaka lakolosy, nifanakaiky fihaino amin'ny voambolana lakile ihany koa ny lakolosy, fa ilazana kosa fa izy no prezidan'ny antenimiera mijoro. Ilay filohan'ny antenimiera, toa mampihevitra hatrany fa izy no tompon'ny fanaovan-dalàna... na tompon'ny lalàna. Toa miharo fanesoana ihany koa anefa ilay tompon'ny lakolosy satria vehivavy no nolaniana ho filohany, toa entina milaza fa lakolosy hafa no tokony lalaoviny fa tsy iny lakolosy maneno ao Tsimbazaza iny. Ankehitriny moa nisy iny fanonganana ny biraon'ny Antenimiera amin'ny fomba ankolaka iny ka misy ny te-handraikitra ny ezaka "lakolosy" fanairana. Ny lakolosy moa mitabataba, ary te-hitabataba amin'ny tsy rariny mahazo azy ilay artista malaza amin'ny tapolaka. Tsy mba izaho aloha no nihira ity hira satira politika manaraka ity an! Revolisionan'ny mpitabataba?

 

Fa misy revolisiona tsy re tsaika, efa nahazo tsikera tamin'ilay fitiavana hanaisotra ny sary lohan'omby eo amin'ny sary fanevan'Antananarivo, efa nahazo esoeso hoe hosoloina lakroa angaha sa hosoloina osy (ho fanesoana an-dRavalomanana sy tiana ilazàna fa raha Ravalomanana no Ben'ny tanàna dia hosoloiny osy io, toa finiavana handisoana ny tantara fa efa nandalo ny maha-Ben'ny Tanànan'Antananarivo ihany koa io olona io fa tsy nanova inona tsy akory izy!). Ny antsafa nifanaovana tamin'ny PDS Ny Hasina Andriamanjato tao amin'ny tvplus no nahafahany nilaza fa tsy sarina lohan'omby (zébu) misy trafony no nataon'ny mpanjanatany tamin'ny 1950, izany hoe telo taona taorian'ny 1947) fa lohan'omby "taureau" vazaha tsy misy trafony mitandroka an'Antananarivo. Ny endrika tandroka tamin'ny voalohany tokoa dia mitady ho efajoro fa tsy boribory tanteraka araka ny fahita amin'ny omby eto Madagasikara.

Somary nangina moa iny resaka iny fa nahasarika ny saina ihany ny nahita ireo ara-vy (zavakanto vita amin'ny vy) miendrika trondro manemitra ny dobo manatrika ny lapan'ny tanàna. Ny tsikaritra mametraka fa amin'ny lafiny avaratry ny dobo, izany hoe manelanelana azy amin'ny lapa ihany no namenoana iray ara-vy miendrika trondro ireo. Inona tokoa moa no tokony hisy ao amin'ny dobo fa tsy ny trondro, na ny hazandrano? (tsy voatery ho trondro ihany) Misoko mangina ihany ny tolon'ingahy PDS raha izay no tarafina, fa raha izaho manokana ihany koa moa dia ny "fleur de lys" (lisy moa ny anarany amin'ny teny malagasy?) no tiako esorina amin'io fanevan'Antananarivo io, raha tsy hoe raikitra indray ny adihevitra manao hoe: "inona no anaovan'ny skoto ireny "fleur de lys" amin'ny fanamiany ireny?" Manohy ny tolona ingahy PDS mametraka ireo sary trondro ireo ary tsy mbola nahare fanoherana aloha aho hatreto, tolona ara-saimbolika (sariohatra hoy ny dika ao amin'ny baiboly protestanta nahitsy farany) fa sady tokony hitoetra amin'ny dobo ny trondro no marika famantarana kristiana hafa ihany koa.



Dia miverina amin'ny lakolosy indray aho, raha jerena ihany koa manko io lakolosy, vita amin'ny metaly, io dia mitovitovy endrika ihany koa amin'ny vovo entina manihika trondro. Toa kisendrasendra hafahafa fa rehefa nametraka ara-vy trondro ny PDS dia te-hamelona ny ezaka "lakolosy" endrika ara-vin'ny vovo entina manihika trondro kosa i Rossy sy izay mety hiara-dia aminy. Eritreritra sendra mandalo, saingy tsy laitra ny tena fa manoratra rehefa mahita endrika saimbolika (sariohatra) tahaka itony. Miala tsiny raha tsy misy azonao izay lazaiko fa raiso ho rediredy fotsiny ihany fa manahirana ity fiainana ity.



7 mey 2014

Fetin'ny Mpiasa: Inona no niova? Inona no nivoatra?

2014-05-01 @ 11:17 in Ankapobeny

Efa mihoatra ny zato taona izao ny tolona nataon'ny mpiasa tany Chicago, Etazonia, nitolona ho amin'ny fiasana adiny valo isan'andro. Nitolona tamin'ny fanararaotan'ny mpampiasa toa manao danin'ny kibony, mametraka ny mpiasa ho andevo maoderina. Efa nisy manko ny fotoana tsy anavahana na ampy taona na tsia ny mpiasa any amin'ny orinasa lehibe tamin'izany taonjato izany. Niasa nihoatra ny 60 ora isan-kerinandro, enina andro amin'ny fito, amin'ny karama $1.5 isan'andro ny mpiasa nifindra monina tao amin'io tanàna iray any Illinois io. Tamin'ny alalan'ny famoriana ny mpiasa, rehefa nahavita asa, izany hoe amin'ny alina, matetika ny endrika fihetsiketsehana tamin'izany fotoana izany.

Tsy nipetra-potsiny koa anefa ny mpampiasa fa namaly tamin'ny alalan'ny fandroahana ireo olona mavitrika tamin'ny fananganana endrika sendikà tamin'izany fotoana izany, nametraka lisitra mainty ireo mpikamban'ny sendikà, nandroaka mpiasa faobe, manakarama mpandrava fitokonana sy mpitsikilo mpiasa na jiolahimboto mbamin'ny "tafika" tsy miankina amin'ny fanjakana, ary nampiasa  ihany koa ny fampiadiana ara-piaviana ireo mpiasa tany Etazonia ireo. Niaro ny tombontsoan'ny fandraharahana ihany koa gazety be mpamaky tamin'izany fotoana izany ka tsy maintsy namelively ny sendika sy ny gazetin'ny mpifindra monina izay tena iharan'ny tsindrihazolena.

Andro niavaka tamin'ny tolon'ny sendikà ny andron'ny 3 mey 1886 sy ny ampitsony, noho ny fifampidarohana teo amin'ireo mpiasa mitaky ny adiny valo isan'andro, sy ireo mpandrava tolona, ka niafara tamin'ny fitifiran'ny polisy ny mpiasa tamin'ny andro voalohany, dia nisy ny antso faobe hanaovana fivoriana teo amin'ny kianja Haymarket ny ampitso. Tamin'ny andron'ny 4 mey 1886 io dia mbola nisy ihany ny korontana noho ny fisian'ny baomba nipoaka sy ny fiampangana niafara tamin'ny fanamelohana ho faty ireo mpitarika ny fihetsiketsehana fito izay anarsista avokoa. Ho antsika rehetra tsy mahalala, noho izany, dia nanana maritiora fito ho amin'ny tolona hiasana adiny valo ny anarsista ka aza atao mahagaga ny mahita isaky ny voalohany volana mey ireo anarsista mifanandrina amin'ny polisy hatrany isan-taona any amin'ireny firenen-dehibe ireny.

Ankehitriny manao ahoana?

Amin'ny ankapobeny efa saika voahaja any amin'ny firenena maro ny ora fiasana adiny valo, saingy mbola mitohy ny tolona sy ny fampivoarana tokony tanterahina. Tsy hiresaka ny fiandohan'ity andro ity aho fa hitodika eto Antananarivo manokana, ary Madagasikara sy ny firenena andalam-pandrosoana amin'ny ankapobeny. Fahatsapana no ahafahana milaza fa toa natao hiveloman'olona iray ny karama raisin'ny maro amin'ny mpiasa ary ampirisihana ry zareo hanao "suppl" raha tiana ny hahazo vola bebe kokoa, io no fomba iray andikana ny ora fiasana adiny valo isan'andro fa mba tsolorana vola kelikely ihany nefa amin'ilay mety hanintona ny mpiasa hiasa mihoatra ny ora feran'ny lalàna. Mahavariana ihany anefa fa mbola mihamaro hatrany ny mpiasa, fa efa mihavitsy kokoa ny zanaky ny mpiasa. Tsikaritra ihany koa fa tahaka ny heverin'ny mpampiasa fa efa manana trano tsy hofaina ny mpiasa, nefa ny mpiasa tsy manana fahafaha-manao hananana izany trano manokana izany. Maro dia maro ny mpiasa no mbola miara-monina amin'ny ray aman-dreniny sy ny mpiray tampo aminy, na dia efa manambady aman-janaka sy manana asa aza. Misy zavatra tsy mitombona ao anatin'izany toe-javatra izany, ary mbola mametraka hatrany fa karazany zary fitazonan'aina fotsiny ny karama fa tsy mahatakatra ho amin'ny fampivoarana mahaolona. Mba te-hahalala aho hoe firy isan-jaton'ny mpiasa malagasy, tsy miankina amin'ny fanjakana indrindra indrindra, moa no afa-manofa na mipetraka amin'ny tranony manokana?

Tsy resaka ora fiasana mihoatra amin'ny fomba ankolaka, na karama ihany no itoeran'ny olana, eo anivon'ny mpiasa, fa eo ihany koa ny fitadiavana ampiasana ny mpiasa any amin'ny lasitra tsy tokony anirahan'ny mpampiasa azy. Efa maro ny mpiasa amin'ny teratany vahiny sasantsasany nandrenesana fa mpanamarim-bola no ao anaty taratasy fifanarahan'asa nefa irahina mankany an-trano hanary ny tavimandry sy hamafa ny trano fidiovana, na hanasa ny atin'akanjon'ny mpampiasa sy ny ankohonany. Tsy ferana ihany koa anefa fa mety misy ihany koa ny Malagasy mety hanao izany fihetsika manivaiva ny mpiasa ao aminy izany. Ny mpiasa ihany koa moa eo anatrehan'izany matin-kaninkely ka aleony manao ilay asa tsy tokony ho anjarany toy izay voaroaka amin'ny asany fa aiza indray moa no hamelomana ny ankohonana raha sanatria voaroaka. Andraikitry ny roa tonta ihany noho izany raha mbola iharan'izao toe-javatra izao ihany ny mpiasa satria tsy mahajoro amin'ny tokony ho asa tanterahiny fa manao na misalovana ny tokony ho asan'ny hafa.

Manana anjara toerana lehibe ihany koa anefa ny fanjakana amin'ny alalan'ireo mpanaramaso ny asa (inspecteur de travail).  Tsaroako hatrany ny fotoana nahadelege ahy (folo taona mahery be izay) ka mba saika hakako hevitra amin'ireny solontenan'ny fanjakana amin'ny sehatry ny asa ireny saingy avonavona sy mpanompokelin'ny mpampiasa no toetra nasehon'ireny tamiko. Vao nanomboka namelabelatra sy toetry ny asa aho dia namerina fanontaniana aloha izy: "Aiza tsara ianao moa no miasa?" Rehefa namaly aho ka henony fa orinasa manana ny lazany eto amin'ny firenena ilay izy dia ny azy amin'izay no nataony be : Ianareo ary mahavoa be sy tsara vintana tafiditra amin'ireny asa ireny fa jereo ireo tsy an'asa maro hitanao mihaohao ireo. Tsy aleo ve mihafy amin'izay efa azonareo fa tsy hikaroka izay tsy ho azonareo na oviana na oviana. Tankina aho ary tena vinitra tokoa tao anatiko tao raha nandre ny valintenin'ilay ranamana. Tsy nohenoiny fa tena kely anie ny karamanay nefa izahay tsy afaka ny hanao zavatra hafa ahafahanay miavotena, tsy tadidiko loatra intsony moa izay tena notadiavina fa mety ho karazana endrika tsy fanarahan-dalàna miampy fanararaotam-pahefana ihany ilay izy. Amin'izao fotoana izao moa dia tsy hita sy re intsony izay hetsika ataon'ny sendikà fa dia hoe andro tsy iasana fotsiny no fantatry ny mpiasa amin'izao fotoana.

Jentilisa 1 mey 2014

Izaho sy ny moto eto amin'ny tanàna

2014-04-04 @ 06:22 in Ankapobeny

Noho ny fahateren'ny lalana eto amin'ny tanàna sy ny haratsiany manampy trotraka izany rahateo dia lasa fitaovana fifamoivoizana ahafahana mitsofotsofoka indrindra ny moto, ary manana ny lazany amin'izany ny scooter. Mora ny scooter ary azo asisika amin'ny lalana maro dia maro, eny fa na dia anelanelan'ny fiara roa heverinao tsy hahatafiditra azy mihitsy aza. Indraindray aho dia miaiky mihitsy hoe henjana ry zalahy scooter ireo raha hanao mazia fa mahatafiditra azy daholo na aiza na aiza. Mahay misompirana tsy ankihetsika ve ry zalahy sa ahoana? Nefa mety ho izaho koa no tsy sahy manao ny ataony ka ny hafa no heverina ho manao mazia. Tsy dia hiresaka scooter loatra aho noho ny antony manokana izay ho fantatrao ihany rehefa manohy ny vakinteny ianao, fa ireo moto misy vitesy no resahiko, sady tsy mbola nitondra scooter mihitsy ihany kosa aho fa efa nentina taminy indray. Maro no efa tafaresaka tamiko fa na dia mora aza ny scooter, ary ahafahana mitsofoka na aiza na aiza, dia mihinana ihany ny lasantsin-dry zalahy ireny ary arakaraka ny andehanana mafy no andaniany angovo. Fa tsy tahaka izany kosa ny moto misy vitesy, arakaraka ny andehanany mafy no mampitsitsy azy, hoy ireo zatra ireo karazana moto ireo.



Noho ny asa dia voatery mampiasa ity karazana fitaovana ifamoivoizana misy vitesy ity ny tena. Niainga tamin'ny Yamaha AG100, io karazana moto io no nianarana voalohany sy nentina voalohany. Somary avoavo fa tena tsy mataho-dalana, tsy matahotra halavirana, ary tsy mifidy toerana ihany koa. Ny ankamaroan'ireo orinasa sy sampan-draharaham-panjakana vahiny teto Madagasikara mpivezivezy mankany ambanivohitra sy ambany ravinkazo tamin'izany fotoana izany dia saiky nividy ity fitaovana ity avokoa. Hitanareo ihany moa fa misy lamaodiny ihany itony fitaovana itony. Marika Japoney, izay miavaka indrindra amin'ity resaka kodiaran-droa ity, ary sangany eo amin'ny sehatra manerantany, nanjary nankafy nitondra moto aho izay matahotra dia matahotra tamin'ny voalohany satria malaza moa ny fitenenana hoe "carrosserie tena". Tsy nitondra moto afa-tsy io aho tamin'izany fotoana izany. Nataon'ny orinasa lavanty (valopy mihidy) ho an'ny mpiasa tao aminy ireo moto rehefa niasa efa ho 15 taona. Nifandrombahan'ny maro izy tamin'izany fotoana izany, nifampiresadresaka teny sy nifanontanintany izay vidiny zakany. Tsy maintsy nifamitapitaka teny ny rehetra, mba hahazoana iray, na teo amin'ny vidiny na teo amin'ny kalitaony. Voafandrika ny tena ka tsy nahasahy avo. Rehefa nivoaka ny vokatra dia maty ampahatelon'ny nahazo azy ny tolotra nataoko, hahazoana ilay iray fitondrako. Tsy nahazo aho izany na dia iray aza.


Nividy karazany hafa indray ny orinasa hanoloana ireo namidy sy nahavita ny adidiny tamin'ny desambra 2010. Novidiana indray ny Yamaha Crux, izay mitsitsy lasantsy kokoa sy natao ho an'ny lalana an-drenivohitra. Somary ivaiva noho ny kodiaran-droa nentina teo aloha, toa maka ny endriky ny moto tranainy izany, araka ny tsilian-tsofin'ireo mpitondra tamin'ny taompolo 1960, 1970 na 1980 tany ho any. Maneno mora fa tsy nitrenatrena toy ny teo aloha. Raha mihaino tsara ianao dia toy ny fanenon'ny fiara citroën izany ny feony. Kodiaran-droa tsy mataho-dalana izany no nosoloina kodiaran-droa ho an'ny tanandehibe. Nojerena ka hita hoe tany India no nanamboarana azy, nihevitra avy hatrany hoe "sous licence" izany ity moto ity ka tsy haharitra ela raha izao fandehany izao. Rehefa nokarohina anefa ny tahirinkevitra an-tserasera dia tena vokarin'ny Yamaha mihitsy io karazana moto io fa nanangana orinasa tany India ry zareo ary mamokatra sy mivarotra ny vokatra avy ao ho an'i India sy ny firenena manodidina azy. Firenena misy mponina hatramin'ny iray miliara kosa ve, izany hoe tsena goavana ho an'izay mahazo  azy, koa tsy mahagaga raha manangana sampana any sy mitady ny vokatra sahaza ireo olona ao aminy ireo orinasa goavana mitady lalam-barotra goavana.



Na izany aza dia mampatahotra ihany ity kodiaran-droa ity rehefa mandeha ambony lalantany misy fasika ka manindry ny hisatra aoriana fotsiny tampoka fa mampandihy vody mety hampianjera mihitsy izy raha tsy mitandrina, tsara kokoa raha tonga dia ny hisatra roa aloha sy aoriana avy hatrany no miara-tsindriana . Lesoka faharoa ananany ihany koa fahafatesan'ny fandrefesana lalana vita (kilometrage-mileage) ao aminy, maro an'isa kokoa ny moto maty fandrefesan-dalana vita noho ireo tsy manana izany olana izany tao amin'ny orinasa. Tsy lefitry ny lehibe mpanara-maso ny fandanian-dasantsy sy ny lalana naleha-vita izany toe-javatra izany ka efa nieritreritra ny hivarotra izany avy hatrany indray izy. Tsy tontosa izany famarotana ho an'ny mpiasa ho an'izay mahasahy lafo indrindra izany (valopy mihidy) raha tsy tamin'ny volana marsa teo. Nieritreritra avy hatrany tany anatiko tany aho fa tsy hanaiky ho voafitaka intsony fa izay vidiny eritreretiko sy izay sanda mety ho sahin'ny mahavidy azy lafo indrindra no tao an-tsaiko, tsy maintsy mba mahazo iray kosa aho, hoy aho anankampo. Nifanandrify indrindra tamin'ny tsingerintaona nahaterahako ny namoahana ny vokatra ary roa avy hatrany no azoko, ny iray fitondrako ary ny iray hafa izay anisan'ny nanaovako fiandry raha sanatria tsy azoko ilay fitondrako. Mazava loatra fa be loatra izany moto roa izany ka tsy maintsy amidiko ny iray. Tsy ho ilay mahazatra ahy velively no amidiko fa ilay iray natao fiandry ka azo. Io moto amidy io indray mba velona tsara ny fandrefesana ny lalana vita fa ilay tazoniko moa no maty fandrefesana lalam-bita voalohany indrindra tao amin'ny orinasa.

Tsy ity ilay moto amidiko aloha an!



Niova marika indray ny orinasa saingy mbola marika japoney ihany no nidirany. Nividy Honda Ace hampandehanana ny asa indray. Efa io indray koa moa no lamaody ary azo lazaina fa namelona ny tsenan'ny Honda izay saiky tsy nisy intsony teto Madagasikara. Ny sampana mpanome laharam-piara sy moto misy motera eto Antananarivo moa dia nanambara fa ny marika honda indray no tena be mpividy indrindra amin'izao fotoana izao raha ny moto no resahina. Raha mbola jerena ihany koa ny tahirinkevitra an-tserasera dia natao hoan'ny tsena Afrikanina ity moto honda ace ity ary avy ao Nigeria no mamokatra sy manaparitaka azy. Toy ny lazaiko teo aloha ihany ny "Honda Ace": tsy hoe "sous licence" izy ka orinasa hafa no mamokatra azy fa omen'ny orinasa Honda alalana hamokatra izy fa ny Honda mihitsy no nanorina asa tao Nigeria, firenena be mponina indrindra eto Afrika, ary natao hifanaraka amin'ny tsena Afrikana sy atao izay takatry ny toe-bola Afrikanina amin'ny ankapobeny ny vidiny. Efa tsy any amin'ny hoe vita avy any Eoropa na avy any Japana intsony ny eritreritry ny maro rehefa hividy vokatra tahaka itony fa ny marika sy ny fahafaha-mividy no jereny. Raha efa nanamory ny Honda Ace ny tena tao anatin'izay fotoana vitsy dia vitsy izay dia mora faneno izy, ary mitsitsy lasantsy, mora miakatra ny hafainganam-pandehany raha oharina tamin'ireo izay efa nentiko, ary toy ny maivana dia maivana izany izy rehefa entina, hatreto dia tsara ilay moto... saingy ireo zavatra lazaiko rehetra ireo dia tsy avy amin'ny manampahaizana momba ny moto velively fa ny mitondra ihany no haiko, ny ankoatra izay aza anontaniana ahy fa tsy ho haiko velively ny mamaly azy. Ny tsikaritro fotsiny dia mila ho lasa avo roa heny amin'ny vidiny avy any an-kafa any ny vidin'ireo moto ireo rehefa tonga eto amin'ny tanàna ka tsy hay intsony na ny fanjakana no maka be loatra amin'ny alalan'ny hetra na ny mpivarotra mihitsy no maka tombony be.


Jentilisa, 04-04-2014 na 04 avrily 2014

Fa Maninona isika no antsoin'ny Frantsay hoe Malgache fa tsy hoe Malagasy e?

2014-03-26 @ 22:42 in Ankapobeny

Ity hevitra mivoaka eto ity dia niainga avy amin'ny adi-hevitra nataoko tao amin'ny vondrona Facebook iray. Tsy tiako ho very ilay hevitro koa dia nosoratako indray tao amin'ny blaogy sady nahitsy hifanaraka amin'ny maha-bilaogy azy mihitsy.

Misy tahirin-kevitra iray nametraka fa ny anaran'i Madagasikara taloha napetraky ny teratany dia hoe "Madecasse" na "Madecafe". Rehefa tonga ny misionera, nitory tany atsimo (izany hoe taonjato faha-17) dia ilay anarana hoe "Malagasse" no noraisina. Mariho fa ny Misionera tonga tany Anosy dia misionera katolika. Ny Misiona Lazarista no saiky hitory ny Evanjely tany Tolañaro (1648-1674) saingy tsy nahomby izany.

Raha mamaky ity rohy ity isika dia mahita fa toa nifanindran-dalana avy hatrany ilay fitoriana ny evanjely sy ny fanjanahana ilay faritra (Nosoratany hoe Anosse) ary raha tohizana dia hahatsapa fa Frantsay avokoa ireo saiky hitondra ny evanjely ireo. Tsoriko fa tsy nahita ilay voambolana hoe "malagasse" aho [tany amin'ilay antonta-kevitra niadiako hevitra]  fa ilay "Anosse" no hitako dia variana ihany aho hoe tsy hain'ny Frantsay intsony ve ny nanonona ilay hoe "Malagasse" ara-panononana fa lasa "Malgache" ilay izy rehefa zanataniny tanteraka i Madagasikara? Dia naninona ilay Anosy no nosoratana ara-panononana hoe "Anosse" fa tsy nataony hoe "Anoche" raha tena lojika ny Frantsay. Fampieritreretana ihany iny.

Etsy ankilany : Ny bokin'i William Ellis mitondra ny lohateny hoe Madagascar Revisited, navoakan'ny Printy John Murray, Albemarle Street, 1867 ao amin'ny pejy faha-6 amin'ny toko voalohany dia milaza ny fanangonan'ny tandapa (mpiasam-panjakana) nianatra teny anglisy ireo "voambolana malagasy sy anglisy nahatratra pejy 300 natao tamin'ny bokikely". Ahitana ny anaram-pitenenana Malagasy eto izany!


Dia averina farany ny fanontaniana hoe fa naninona isika no nantsoin'ny Frantsay ho Malgache fa tsy hoe Malagasse farafaharatsiny?

Jentilisa, 27 marsa 2014

 

Yin si Yang - Lahatsuratra Andrang Faharua

2014-03-06 @ 23:18 in Ankapobeny

Mituhy ve ny rediredi? Tsi hu afa-manuratra lava fa mandrera-masu. Sa ahona? Nanuratra ahu dia nisy nitsu-dranu hue tuhizu ny lalanareu satri tsi ankasitrahany ny fanuratra tahaka izau. Tsi maninuna, huy ahu. Tanjuna iray tiana asehu ny hue rehefa manuratra tahaka izau dia tua mahatsapa hue Tatsinanana kukua ny tena fa tsy Tandrefana. Dia nivoka hu azy avy any an-tsaina ny mariky ny Yin si ny Yang anisan'ny manavaka ny kuluntsaina Tatsinanana.

Dia nijery fampafantarana hue inuna tukua mua ireu Yin si Yang ireu? Ny valiny dia hue zava-drua luha mifanuhitra ireu nefa mifamenu tanteraka mahatunga azy ireu hu zavatra iray lavurary; milaza ny vavy si ny lahy, ny alina sy ny andru, ny atsimu si ny avaratra. Lasa hu azy ilay rediredy!

Yin nu mahasahirana? Ny teny fanuratra Yang.

Yin nu manakana indrindra? Ny Saina Yang.

Yin nu tadiavinau? Manatsutra ny famaky teny Yang e!

Dia lasa fanuntaniana sy valiny ilay Yin sy Yang. Tsy izany futsiny ihany fa mampituny fu kukua ilay vombulana Yiang (=Ihany) izay nutairin'ny Yin. Dia izay indray ny andruany aluha fa mitady hu lasa lavitra avy hatrany izy izany!

 

Raha lasa lavitra tuku mankw dia lasa tuw izau indray ny tukuny hu fanuratra iu lahatsuratra etsy ambuny iu:

Mituhy ve ng rediredi? Tsi hw afa-manuratra lava fa mandrera-masw. Sa ahong? Nanuratra ahw dia nisy nitsu-drang hue tuhizw ni lalanareu satri tsi ankasitrahang ng fanuratra tahakw izau. Tsi maning, huw ahw. Tanjung iray tiang asehw ng hue rehefa manuratra tahaka izau dia to mahatsapa hue Tatsinang kuku ny tena fa tsy Tandrefang. Dia nivoka hu azy avy ang an-tsaing ng mariky ng Yin si ng Yang anisang manavaka ng kuluntsaing Tatsinang.

Dia nijery fampafantarang ahw hue ing tuku mu ireu Yin si Yang ireu? Ny valing de hue zava-drua luha mifanuhitra ireu nefa mifamenu tanteraka mahatungga azy ireu hu zavatra iray lavurary; milaza ng vavy si ng lahy, ng aling si ng andrw, ng atsimu si ng avaratra. Lasa hw azy ilay rediredy!

Yin ng mahasahirang? Ny teng fanuratra Yang.

Yin ng manakang indrindra? Ny Saing Yang.

Yin ng tadiavinau? Manatsutra ny famaky teng Yang e!

Eeee! Lasa lavitra eeee!

[Marihw fa mandray ni tuerang few mong isaky ni vombulang farang ni "w" sy ny "g" ary ny "y" arakarakw ni tarehintsuratra mialuhw azy nefa manahy mafy ahw fandrau mandika ny fitsipi-panuratang izany! Marihw ihang ku fa azw fuanang tanteraka ny fainggw mihantung ary lasa "gg" nu misulu tuerang ny "g" nanazarang antsika! Farang: Marihw fa tsy teng Filipino iu fa teng Malagasy]


Andrana hizàrantsika rehetra

2014-03-06 @ 09:25 in Ankapobeny

Manau ahona ny fahitanau izau fumba fanuratra izau? Misy ny fumba fisainana efa mahazatra antsika rehefa mamaky teny amin'ny teny malagasy isika! Mety hu zavatra bitika ny fanapahan-kevitra manuva ity zana-tsuratra ity nefa hiteraka revolisiona guavana tukua. Tsy nandray ny fumba famaky hoe "foumba" aho satria manjary manampy teny amin'ny tsy misy dikany sady vau maika mahatery antsika amin'ny sms izany.

Raha manuratra tuy izau ahu dia aza manahy fa etu amin'ity sehatra ity ihany fa tsy hanau azy any amin'ny sehatra hafa satria te-hanazatra ny masunau futsiny ihany. Ireu zukiuluna sy lazundazuny amin'izau futona izau dia mety hu mahatadidy an'i Manana Jahavaay, efa nanuratra zavatra tuy izau. Efa hatramin'izany futona izany aho no nandray tsara fa ny uluna no tsy nanaiky mihitsy. Nisy ihany ny mpanau gazety no nahasahy niteny fa lasa aluha lotra tamin'ny vanim-putona niainany iny lehilahy iny, fa ny sms amin'izau futona izau no azu anekena fa nisy nanaraka ihany ny zavatra nusuratany ary mbula luza nuhu ny fumba fanurany aza. Dia huy ahu hue maninuna raha tunga dia andramana ny fanavauzana ny fanuratra teny malagasy amin'ity taunjatu faha-21 [ruapulu raika] ity fa tsy hu faly hanuhituhitra befahantany ny mety ho fanatsarana azy? Mety hu tsy tiantsika ny fandravana ny zavatra efa nahazatra antsika saingy futona izau, fandrau tsy misy miaru intsuny ny teny malagasy. Amin'izau endrika izau ihany kua mba miavaka tsara amin'izay ny u sy ny o ary mety hifanakaiky kukua ny teny ofisialy sy ny tenim-paritra!

Mirary sua ny rehetra!

Taombaovao, Eid, Famadihan-drazana

2013-08-12 @ 17:52 in Ankapobeny

Miarahaba ny mpamaky rehetra indray amin'ity anio ity. Mandingana herinandro vaovao isika, niova ihany koa ny volon'andro eto an-drenivohitra amin'izao lohataona izao. Raha nangatsiaka fatratra ny andro nandritra ny herinandro dia niova kosa izany nanomboka ny zoma farany teo. Nifanontona indrindra tamin'ny fankalazan'ny ao amin'ny finoana Islamo ny "Eid El-Fitr" izany fiovam-bolonandro izany. Tsara andro ry zareo, araka ny fomba fiteny fa teo vao nanomboka nihanafana ny andro taty anivontany. Izay tokoa angamba vao tena lohataona ny eto amin'ny tanàna.
 
Etsy ankilan'izany, nankalaza ny taombaovaony ihany koa ny vondron'olona sasantsasany eto Madagasikara, vondron'olona mpandala ny nentin-drazana manana fotoam-pankalazana mitovy amin'ny an'ny Silamo isaky ny Eid saingy tsy afa-misitraka kosa ny fahafahana tsy miasa nefa mandray karama. Eny Anosimanjaka no foiben'ireto mpandala ny nentin-drazana malagasy ireto. Tsindraindray ihany aho no mba mahara-baovao fa ny hitako dia tsy mba misandoka ny fetiny sy ny taombaovaony ho taombaovao malagasy ry zareo eny amin'ny haino aman-jery rehetra eny. Tsy tahaka izay nitranga tamin'ny volana marsa izay milaza ny taombaovaony ho taombaovao malagasy fa nahay nanetry tena na dia maro dia maro aza ny itovizana amin'ity taombaovao ity sy ny tamin'ny volana marsa. Raha mijery ny tantara dia ity taombaovaon'Anosimanjaka ity no nahazatra sy hita tamin'ny fanisan'andro (navoakan'ny teny Imarivolanitra aza) ary be mpanaraka kokoa fa somary vao haingana kosa vao miezaka ny mampandresy lahatra ny azy ny Trano Koltoraly malagasy.
 
Ankoatra izay, nifanindry tamin'ireo fotoana roa efa voatonona ireo ihany koa ny fanaovan'ny maro ny famadihan-drazana, indrindra fa ny eto anivontany hatrany, ka azo heverina fa tamin'iny faran'ny herinandro iny sy izao fanombohan'ny herinandro izao no faratampony tamin'ny fanaovan'ny olona mpanao izany raha ny amin'ity taona ity. Na dia samy manana ny androny aza ny mpanao famadihan-drazana dia efa azo vinaniana izay fahamaroan'ny fanaovana azy izay satria tsy maintsy nisy ny fijerena andro tany amin'ny mpanandro (na mpanao hatsarana, hoy ny anganon'ny Ntaolo nangonin'i Lars Dahl izay) amin'ny hanatontosana ny fomba ka eo no anisan'ny andro tsara indrindra. Fotoana hakana ny tso-dranon'ny Razana, toa ahatsiarovana indray ny fandroana faha-mpanjaka sy ny fitsofan-drano ataon'ny mpanjaka ho fanombohana ny taona indray.
 
Ny itovizan'ireo fety telo nolazaiko teo ireo dia fotoam-piravoravoan'ny rehetra ao amin'ny fiaraha-monina ilay izy. Izay any amin'ny faritra hafa dia miezaka mody any an-tanindrazany (ambanivohitrany) ary mandeha avokoa ny fianakaviana rehetra tsy misy anavahana. Fety fanaovana sakafo mafilotra ihany koa eo ary anisan'ny nahatonga ny hanim-pitoloha na dia vary be menaka aza no tena ahafantarana ny sakafon'ny famadihan-drazana. Maro ihany koa ny maka fanapaha-kevitra goavana amin'io fotoana io. Indraindray aza mampieritreritra ahy manokana fandrao avy amin'ny fety iray no nipoiran'ny roa farany. Mariho fa Habib no anaran'ny nampiditra ny fandroana, ary azo lazaina fa nampifanandrifiany tamin'ny Eid ilay fandroana (tetika hanasilamoana tsikelikely ny teto anivontany saingy tsy tontosa hatramin'ny farany noho ny fanapaha-kevi-dRadama rainy hirona ho amin'ny fampiasana ny soratra latinina). Raha vao mandre izany anarana Habib izany anefa dia anarana Arabo avy hatrany no ao an-tsaina. Mba erirteritra tsy tana ny ahy!
 
Farany, mba nanao fiarahabana ireo olom-pantatro aho tamin'ny sehatra nahafahako nanao izany fa Miozolomana iray ihany no faly sy nihoraka tamin'ny arahaba nataoko fa ny hafa nihanahana sy tsy mahazo izay lazaiko angamba (ka afa-nihevitra ahy ho toy ny adala!). 

Revolisiona andala-panovana an'i Madagasikara!

2013-07-04 @ 10:11 in Ankapobeny

Hiresaka tena revolisiona avy amin'olo-tsotra, mety ho tsy mahalala akory ny asan'ny tambajotra an-tserasera, aho. Revolisiona tsy manimba zavatra na mandroba fananan'olona fa revolisiona ho amin'ny fivoarana tokoa mba hilaharan'i Madagasikara tsikelikely amin'ny firenen-kafa ka tsy ho menatra amin'ny azy intsony afaka fotoana vitsivitsy raha henatra hatrany no nentina nandritra ny fotoana maro.

Fa araka ny mahazatra dia hiresaka zavatra hafa tsy misy idirany vetivety aho fa sao lazaina ho tsy te-hiresaka ny politika eto Madagasikara. Nisy manko ny fampihaonana ireo filoham-panjakana voafidim-bahoaka teo aloha sy ny filohan'ny tetezamita, napetraky ny miaramila nanongam-panjakana ho amin'izany voninahitra izany, nokarakarain'ny FFKM ny andron'ny 3 jolay 2013. Raha ny tokony ho izy dia ny filoha voafidim-bahoaka mbola velona rehetra no nihaona tamin'ny filohan'ny tetezamita, saingy nandamoka moa izany fampihaonana izany, na dia mbola notanterahina ihany aza, noho ny fanakanana ny iray amin'ireo filoha teo aloha voafidim-bahoaka nanao ny sesintany ny tenany tany Afrika Atsimo, tsy hiditra eto Madagasikara. Ny fanakanana dia avy amin'ireo mpitariky ny tafika eto Madagasikara fa mpanatanteraka fotsiny ihany ny sivily eo amin'ny fitantanana, toy ny filohan'ny tetezamita na ny lehiben'ny ACM (Aviation Civile de Madagascar).

Hevitra tsotra ny ahy raha manaraka ny toe-java-misy aho. Nataon'ireo lehiben'ny tafika izay hampandamoka io fampihaonana io ho fampandresen-dahatra fa tsy lalana mankany amin'ny vahaolana velively ny fampihaonana kasaina hotanterahina na aiza na aiza eny fa na eto Madagasikara aza. Ny tsikaritra anefa dia tsy tena izay fampandresen-dahatra izay no midona any amin'ny vahoaka fa ny sarin'ilay tafika malagasy matahotra olona iray, matahotra ny vali-fingika fingàka avy aminy, satria efa andala-pahafantarana ihany ny olona hoe ny tafika no tena mitondra fa saribakoly mahafatifaty ihany ilay aderadera vahoaka. Misy moa ny miteny fa ny Renimalala indray no ao ambadiky ny miaramila, ka asa na resy lahatra amin'izany ianao na tsia. Koa eritreritra ihany ny ahy fa raha ny tafika hatrany no mampametraka olana dia ny vahaolana tsara indrindra "andrasana" dia avy ao amin'ny tafika ihany koa ny vahaolana, fa ny tsy mbola hitako tsara dia ny hoe mila fanomanana henjana sy fiaraha-miasa avy amin'ny sivily mahatarika ny olona hidina an-dalambe, tahaka ny any Ejipta ve izy ity, dia ry zareo ao amin'ny tafika no mamita ny ambiny? Na olo-tsotra ao an-toerana sy iraisampirenena aza dia misy mihevitra fa mety ho lasa tahaka ny any Pakistan na Alzeria (vakio ato[1] sy ato[2] ary ato[3] ny globalvoices teny malagasy miresaka momba izany) ny toe-javatra amin'izay fotoana izay, izany hoe tsy mitsahatra intsony ny krizy na naharitra taona maromaro niteraka fampihorohoroana avy amin'ny mpanohana ny FIS. Risika tsy maintsy raisina izany fa raha tiana sy tsy mampaninona moa ny toe-draharaha ankehitriny eto Madagasikara dia tsy ilaina mihitsy ny fidinana an-dalambe (sady tsy maintsy hisy ihany ny fanararaotana ataon'ny sasany handroba sy hanimba rehefa tsy manana fifehezana ny maro).

Izay no ela fa ilay revolisiona nisoko mangina saingy nahery vaika amin'izay no lazaiko. Nahery vaika satria avy amin'ny saranga ambanimbany na antonontonony tsy voatery ho liana politika no niaviany. Resaka vola izany, ilay ravi-taratasim-bola iny e! Iza indray no tsy mahalala fa malaza amin'ny haratsiam-bola taratasy ny eto Madagasikara. Maro amin'ireny vola ireny, indrindra fa ireo sanda ambanimbany, no tsy hita intsony izay endrika tsara maha-vola azy fa dia rehefa hita hoe tahaka ny vola tokoa izy izany dia raisina ilay izy ary mivezivezy eny rehetra eny. Ny eto afovoan-tany no tena malaza ratsy amin'io vola ratsy sy maloto io fa mba efa nisy ny fotoana nidinana tany Toamasina, folo taona mahery lasa izay, fa mba tsara endrika ihany ny any amin'ny tanàna toy ireny. Ny dingana voalohany moa, araka ny fantapantatra avy amin'ireo niresadresaka amin'ny tena ihany, dia tany Antsirabe no niavian'ity revolisiona milamina nefa mahery vaika ity no tonga teto Antananarivo avy eo. Rehefa teto Antananarivo indray dia teo amin'ny tsenan'Anosibe no niaingany ka niely tany amin'ireo ambany tanàna hafa vao nanerana an'Antananarivo renivohitra. Nanao ahoana ny fizotry ny revolisiona? Tsy manaiky vola rovitra nasiana scotch intsony ny mpivarotra sy ny fiara fitaterana ary ireo toera-pihinanan-kanina mahazatra ny olo-tsotra miavo-tena. Na aiza na aiza alehanao amin'ireo toerana voatonoko ireo dia vitsy sisa ny olona mandray vola misy scotch na dia mbola tsara endrika aza ny volanao. Moa va tsy revolisiona tsara izany ry zareo?

Mbola vao dingana voalohany ihany io fa efa mandeha tsikelikely ihany koa ny dingana faharoa, mbola mandray vola malazo dia malazo ihany manko ny maro hatreto rehefa tsy rovitra na tsy misy scotch ilay izy, saingy efa manomboka tsy mety handray vola malazo sy ratsy dia ratsy endrika ihany koa ireo mpivaro-madinika (tahaka ny mpivarotr'anana)  noho ny fanahiana mahamora rovitra ny vola ka sao tsy raisin'ny mpanjifa eo. Raha izao no mitohy dia mety ho avy ihany koa ny tsy fanekena ny vola maloto na miforiporitra (na dia tsaratsara endrika aza) ary hiafara amin'ny tsy fanekena vola miforitra indroa na in-telo. Dia hiafara amin'ny fahatsaran'ny vola malagasy sy ny fahadiovan'endriny ihany izany fizotry ny toe-javatra izany ary, raha izaho manokana dia faly amin'izany satria efa ho roapolo taona izay no tsy nanekeko io endri-bola malagasy maloto sy rovidrovitra ary miforiporitra io. Fa ny fanontaniana dia izay mety ho tena nahatonga ity revolisiona ity. Ny nalaza tany Antsirabe dia nisy ireo tsy manaiky ilay vola misy scotch fa hoe raisiny atsasa-bidiny io raha raisina ihany. Ny ahy kosa tombatombana fa noho ny fahamaroan'ny Malagasy tsy mahay mamaky teny sy manoratra ka tsy mahita ny fahasamihafan'ny laharam-bola nefa tsipahin'ny hafa no nandraisany fepetra tsy handray izay vola rehetra misy scotch. Ekena tokoa fa misy tsy mahamety ny fitsipahana ilay vola tokony mbola miasa sy manan-kery nefa misy lalana hafa azo aleha ankoatra izay mitranga amin'izao fotoana izao ve? Izay no zavamisy eto Madagasikara ry zareo fa ny faniriana dia ny hahatontosa izany haingana dia haingana ho hatramin'ny farany...

Jentilisa 04 jolay 2013

 

Jereo ny anaranao ao amin'ny lisi-pifidianana

2013-04-26 @ 22:04 in Ankapobeny

Mety hifangaro ny resaka ataontsika nefa tsy maninona izany. Resaka fandraisana andraikitra maha-olompirenena aloha izy ity fa tsy voatery hoe resaka politika (fakana fahefana sy fitantanam-panjakana). Somary efa elaela aho ny niezaka ny hana-potoana handalovana ao amin'ny biraom-pokontany fa tamin'ity herinandro ity vao tontosa izany. Raha ny daty farany moa dia ny alahady 28 avrily no fara-fijerena izany. Ny biraom-pokontany moa ahitana soratra manao hoe tsy misokatra Asabotsy sy Alahady ny birao ka asa na mba hisokatra manokana izy ireo amin'ny andro roa farany na tsia.


Ny tsikaritra voalohany dia vitsy ireo efa nandalo nanamarina ny anarany sy ny mombamomba azy na dia efa herinandro farany fijerena azy aza ity herinandro efa nifarana ity. Tsy misy filaharana moa ny mijery azy fa olona iray izay ihany no teo alohako. Mazava loatra fa izay rehetra tao an-tranony no nojereny ny anarana sy mombamomba ireo ampy taona afaka nifidy. Toy ny kisendrasendra ihany angamba fa nahitana fahadisoana avokoa tao amin'ireo mombamomba ny olona nojerena tsirairay avy. Rehefa tonga ny anjara fanamarinana nataoko dia samy nahitana diso avokoa ihany koa ny anay mivady, tonga taona hifidy ato amin'ny tokantranonay. Lasa ho azy ny saina manao hoe fa mba ahoana koa ary izany izay hitako nojerena teto dia nahitana fahadisoana izany avokoa. Tsy fantatro loatra aloha ny an'ny sasany fa mba tsetsatsetsa tsy aritra iny. Ny vadiko anefa amin'io mihevitra ny tsy hiraharaha loatra na hifidy na tsy hifidy, izaho indray fantany tsara fa raha ny resaka tahaka izany, lazainy fa mora mirona loatra amin'ny politika aho. Nilazako ny zava-nisy hitako vao gaga izy... 


Manaraka izany indray, tsy maharaka loatra ny fomba nizarany ny vaki-paritra aty amin'ny fokontany aho fa sanganehana ihany raha mahita fa vakim-paritra iray izao mety ho tsy iray lisi-pifidianana ao amin'ny fokontany iray (fantatsika fa maro mponina Antananarivo raha resaka isan'olona ao amin'ny fokontany iray ka voatery zarazaraina ho vakim-paritra vitsivitsy). Mety ho fahadisoana any amin'ny CENI-T ihany koa iny noho ny tsy fahalalany izay tena any am-potony fa manapatapaka fotsiny ny hoe hatreto ny lisitra iray dia miditra amin'ny lisitra manaraka indray ny hafa, saingy mbola tombatombana avy amintsika olo-tsotra hatrany izany. Na izany na tsy izany, miteraka ahiahy ny toe-javatra tahaka izany.


Ny fahatelo dia tsy mitovy amin'ny lisitra taloha nandraisana anjara tamin'ny fifidianana intsony ny nametrahana ny lisitra fa niova ho alfabetika. Tahaka ny ahoana moa izany? Teo aloha dia nifanaraka laharana ny iray trano, ary mifanakaiky ihany koa amin'ny mpiray vodirindrina ny lisitra misy ny an'ny tena. Afaka mifanara-maso tsara noho izany ny manodidina hoe ary ny anaran-dranona toa tsy hitako ao amin'ny lisitra nefa ao ambadika ny misy azy ary mifanaraka ihany koa ny laharan-trano. Ny amin'izao fotoana kosa, raha ny hitako tao amin'ny fokontaninay, raha vao tsy misy itovizana ny anaran'ny iray tokantrano dia pejy samihafa no misy azy. Ny anarako izao manomboka amin'ny AND... fa any amin'ny voalohandohan'ny lisitra, ny anaram-badiko indray manomboka amin'ny RA... fa saiky mamarana ny lisitra mihitsy. Vao mahita izany ianao dia fantatrao avy hatrany fa tsy misy fomba tsotsotra kokoa ahafahana manara-maso tsara io lisi-pifidianana io ary tsy maintsy mijery ny lisitra manontolo ianao hijerena hoe sao misy anaran'olona hafa nampidirina ho iray trano aminay ato. Miala tsiny aho fa ny tao an'eritreritra voalohany dia hoe "Efa mivonona ny hangala-bato ry zareo raha izao hitako izao no zohina" satria na izaho izao aza tsy maharaka hoe firy izany izahay iray trano no ato anatin'ity lisitra ity. Ny mahavariana anefa dia mbola misy olona tsy tafiditra ao anaty lisitra izao ary loham-pianakaviana izay nanao sonia ny taratasim-panisana aza saingy any amin'ny fokontany hafa indray moa iny. (Ny raiko no tratran'io tranga io).


Farany, toa inian'ny CENI-T mihitsy ny nanakorontana amin'ny fomba hafa ny lisi-pifidianana tsy ahafana manamora ny fanaraha-maso, noho ny lisitra tsy nampanarahana ny laharan'ny trano fa nampanarahana ny anarana. Azo atao tsara ny mampiditra anaran'olona hafa atao iray tokantrano amiko na dia tsy fantatro mihitsy aza io olona io, ary izany dia mety hiteraka ny hoe misy olona iray afa-misoratra im-betsaka amin'ny faritra na toerana maro amin'ny lisi-pifidianana nefa tsy hisy hahamarika loatra izany. Tamin'izahay nifidy taloha tsy nisy nanamarina mialoha ny idirako ny biraom-pifidianana ny tanako ijerena na misy ranomainty ve sa tsia. Izany fisalasalana izany moa miaraka amin'ny fahagagàna hoe hamaroan'ny mpifidy mety hahatratra hatramin'ny 12 tapitrisa nefa ny tamin'ny fitsapa-kevi-bahoaka 17 novambra 2010 dia nolazain'ny CENI tamin'izany fa 7 151 223 tamin'izany fotoana izany ary niakatra ho 8 562 483 tamin'ny 2011 izany hoe hitombo 3,5 tapitrisa izany ny isan'ny mpifidy hatramin'ny 2011 no mankaty amin'ny 2013. Efa nandeha ihany anefa ny resaka fa nisy anaran'olona niverimberina maro ihany tamin'ireny (30.000 ny nolazain'ny filohan'ny CENI-T raha 1.500.000 ny nolazain'ny hafa). Ao anatin'izany zavatra mifamahofaho izany isika no hanatontosa ity fifidianana ity ka asa ny fahazotoanareo fa dia atao ihany izy ity. Fanontaniana farany, fa maninona tokoa raha navoaka aterineto ny lisitra dia afa-nanamarina izay mpiray trano aminay izahay e? Hafatra: raha mbola azonareo atao ihany dia jereo sy hamarino ihany ny lisi-pifidianana tsy hahavery zo anao fa ny fanaraha-maso azy moa dia tena tolona hafa mihitsy.

Janoarim-pitaintainana

2013-01-26 @ 09:34 in Ankapobeny

Mangorohoro mitambolimbolina ny janoarin'ny tsirairay ao anaty ao . Toa manahy, toa manam-po hisy zava-mitranga hafahafa izany. Misy likiliky anaty tiana avoaka nefa ahodin'ny sasany sy ameloman'ny sasany fankahalana foko, indrindra ny foko Merina. 

Merina st Karana


Tsikaritra tsy asiana fihetseham-po, na dia samy zava-dratsy sy tsy tokony hisy hitranga eto amin'ny firenena aza ireo zava-droa loha ireo, no ilazana fa ny famelezana ny Merina no mora sy azo atao kokoa eto amin'ny firenena noho ny famelezana Karana. Raha izany no jerena dia ny Merina no manambaka ny mpiray tanindrazana aminy kokoa noho ny Karana, ny Merina no manalika ny hafa kokoa noho ny Karana, ny Merina no tena manandevo mpiasa kokoa noho ny Karana. Tsy miteny aho hoe maninona raha ny Karana no asiana fa mampieritreritra ny tsirairay aho hoe mitondra mankaiza moa ny fankahalàna ary inona no ho vokatr'izany? Ny karazan'olona inona na foko avy aiza dia tsy maintsy ahitana ny antsoina hoe "Saonjo iray lohasaha ka tsy hilaozan'izay mamarara", tsy ny saongo iray lohasaha no mamarara fa misy ratsy ao. 

Tsikaritra ihany koa mifanila amin'izany fa tsara aro kokoa ny Karana amin'ny savorovoro noho ny Merina. Nahoana? Ny Karana saiky efa ireo mpanam-bola afa-manakarama na afa-manambitamby mpitandro ny filaminana avokoa noho ny fiarovany ny volany sy ny hareny, hany ka raha vao misy zava-manjò azy ireny dia mihazakazaka ny mpitandro ny filaminana. Ny Merina indray, indrindra ireo mieli-patrana manerana ny firenena, dia mitovy amin'ny Malagasy hafa rehetra ihany, samy mandrato harena, zavatra kelikely tsy tena goavana no ataony, tsy afa-manambitamby mpitandro ny filaminana izany fa mitovy amin'ny rehetra ihany ka tsy atao mahagaga loatra fa raha vao misy ny fandrobàna Merina dia mody tsy mahare na mody tsy taitra ny ankamaroan'ny mpitandro ny filaminana. Tsy misy saosy na tombontsoa manokana tsinona azo avy amin'ny Merina fa mahafinaritra ny ankamaroan'izy ireo ny miteny "patirao" ny Karana. Heveriko fa misy zavatra tsy mety ao anatin'izany fomba fisainana izany ka nahatonga ireny zava-nitranga tany Toliary sy Tolañaro ireny.

Tsy hiteny ny fikonokononana ny fanafihana ireo Merina mpivarotra enta-madinika sy kojakoja an-tokantrano tao Toliary aho fa nanaitra ahy ny filazana hoe tsy taitra akory ny mpitandro ny filaminana (amin'ny ankapobeny) mba nanao izay hampitsoaka ireo olona ireo. Mbola nisy fanafihana Merina ihany taoriana fa dia tahaka izany ihany ny toe-draharaha. Fa rehefa nanao lohateny lehibe ny gazety hoe misy ny fikonokononana hamelezana Karana ao Toliary fa tonga dia henika mpitandro ny filaminana ny tanàna. Lasa ny saina hoe olom-pirenena sokajy ambany kokoa ve ny Merina ka tsy raharahiana fa rehefa Karana no mitady ho voantohintohina dia raikitra amin'izay ny Bemidina? Sa taratry ny fankahalana Merina hatrany amin'ny ambaratongan-drafitry ny mpitandro ny filaminana izany? Enga anie mba ho diso hevitra tanteraka aho.

Voatondro ho manao kiantranoantrano amin'ny fampidirana mpiasa ao amin'ny QMM indray ny samy Merina ka nahatonga ny barazy tao Mandena sy ny fitakiana ny fandroahana ny "voanjo" [Merina] vao nampidirina tao amin'ny orinasa. Kiantranoatrano tokoa ve sa tena izay no vokatry ny fitsapa-pahaizana sa ny Merina no manam-bola kokoa hanaovana kolikoly sa mahafantatra olona ao amin'ny QMM? Ny hitako tany ambadimbadika tany dia niezaka ny hampiditra zanaky ny faritr'Anosy, mba ho tombon-dahiny ho an'ny tanora any amin'iny faritra iny, ilay orinasa. Porofo ara-taratasy entina ijerena ny zanaky ny faritra ny "fanamarinam-ponenana" avy any amin'ny fokontany. Raha nisy izany ny kolikoly dia ny teny anivon'ny fokontany no nisian'izany voalohany ary mametraka ny taratasy ara-panjakana ho tsy misy dikany sy ho mora azo izany. Ka raha manana ny taratasy "fanamarinam-ponenana" ho monina any amin'ny faritra ireo Merina ireo dia tsy misy hadisoan'ny orinasa nampifaninana azy ireo sy nandray izay mahay indrindra avy amin'ireo. Tsy azon'ny orinasa atao indray ny hanao hoe izay avy amin'ny foko Antanosy ihany no raisina satria fanavakavahana mivandravandra sy azo raisina ho fandikan-dalàna. 

Zavatra hafa tanteraka indray ny tao an-tsaiko rehefa nahita ny anaran'ilay mpitarika ny fikambanana sy ny mombamomba azy aho. Vadim-bazaha sy azo heverina ho manana toerana ambonimbony ilay ramatoa mpitarika. Heveriko fa tena fankahalàna foko tsotra izao ny tao amin'ity ramatoa ity raha nanao ilay fihetsiketsehana mitady androahana foko eto Madagasikara izy. Ary somary mahagaga ahy kely ihany raha misy antokon'olona toa azy efa manao fihetsiketsehana an-dalambe manohintohina ny fifamoivoizana nefa tsy misy fisamborana avy amin'ny mpitandro ny filaminana nefa raha ny eto Antananarivo no manao fihetsiketsehana an-dalambe tahaka izao efa ela no nosamborina ny mpitarika izany fihetsiketsehana izany. Maninona no manao mizana tsindrian'ila toy izany? Sa ny any tsy manohintohina ny fitondrana ka tsy maninona fa mandrava barazy ihany no atao fa manana hery matanjaka ambadika ilay olona fa ny eto kosa faizina mafy fa miseho ho beloha manohitohitra fitondrana? Amiko anefa dia karazany manao izay hampiroboroboana ny fivorivorian'olona hiròna amin'ny fankahalana Merina, izay mpiray tanindrazana aminy ihany, ny tsy famaizana ireo antokon'olona na mpitarika ireny antokon'olona ireny. Toa mampihevitra fa ao anatin'ny rariny sy tsy manohitra ny ara-dalàna ilay fankahalàna Merina.

 

Teti-Panorona Frantsay vaovao?

Fa na dia lohahevitra hafa aza dia toa misy fifampitohizana ihany tamin'izay voalaza teo ambony ity tantaraina manaraka ity. Niteraka hatezerana tamin'ny maro ny tenin'ny Masoivoho Frantsay vao tonga tamin'ny tsy hamelana an-dRavalomanana tsy hody mialoha ny fifidianana. Lasa ny adihevitra manao hoe tsy fahalalàna ny zava-misy ve no mahatonga azy hilaza izany zava-manaitra ny mpanara-baovao izany sa tena izay mihitsy no tanjon'ny fitondrana Frantsay eto Madagasikara? Tsy afaka hieritreritra aho fa hiteniteny foana iny rangahy iny tamin'ny nanaovana ilay fanambarana na dia hitahita taratra ihany tamin'ny fitsapa-kevitra nataona fantsona fahitalavitra tsy miankina iray aza fa tsy izany velively ny fironan-kevitr'ireo izay namoaka hevitra nandefa sms tany amin'io fantsona fahitalavitra io. Tsy maintsy hametrapetraka ny hahazoan'ny Frantsay tombony eto Madagasikara izy ary miteraka fisalasalana ny fahamaroan'ny fanafihan'ny dahalo any amin'ny faritra atsimo heveriko ho hafahafa ihany koa ny firoborobon'ny fitaovam-piadiana any amin'ireo lazaina fa dahalo izay lasa efa mahatratra an-jatony. Vao maika nahatalanjona ny fitadiavan'ny minisiteran'ny atitany ny hampidirana ny tafika Frantsay handamina ny raharaha any amin'io faritra atsimo io ihany.

 

Dia ho kisendrasendra avokoa ve ireo korontana sy savorovoro ary filana ady atao amin'ireo mpitrandraka harena an-kibon'ny tany tsy frantsay rehetra any amin'ny faritra samihafa ireo fa tsy efa teti-panorona napetraka mialoha? Moa ve tsy niniana atao ilay fanambarana hiteraka fankahalàna Fantsay ary iniana avy eo ny fanafihana teratany Frantsay ikendrena hatrany ny hampidirana miaramila Frantsay ho afa-miditra an-tsehatra eto an-tanindrazana? Toa niniana atao avokoa ireo sotasota sy ny fitadiavana ny fomba rehetra ilàna vaniny ireo mpitrandraka vahiny ireo tsy hoe ho fiarovana ny harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara mba ho tahiry ho an'ny Malagasy fa ny hanomezana azy ireny ho an'ny Frantsay. Efa nisy nilaza ihany moa fa tamin'ny fifanarahana teo amin'ny Malagasy sy ny Frantsay fa na dia mahazo ny fahaleovan-tena aza ny Malagasy dia an'ny frantsay kosa ny harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara fa tsy azon'ny Malagasy trandrahina raha tsy mahazo alalana avy amin'ny Frantsay. Teboka iray goavana nampiongana an-dRavalomanana ihany koa ny nandikàna io fepetra "miafina" io.

 


Fehiny, na dia feno efa-taona katroka androany aza ny 26 janoary nandrobana harem-pirenena sy haren'olo-tsotra teratany Malagasy (tsy Karana ary tsy Frantsay fa tratra kosa ny teratany hafa sasany toy ny Afrikana Tatsimo, Maorisiana...) dia heveriko fa ny fitodihana amin'ny hoavy tsy hisian'ny tranga tahaka ireny ao anatin'ny fotoana fohy no nanamarihako ity andro ity. Toa tadiavina iniana atao indray manko ny tahaka ireny tranga faramparany ireny hanodinana ny likiliky tsy afaka any amin'ny tsirairay any, ary tsy kisendrasendra ny nanaovan'ny masoivoho frantsay ny teniny fa tetika hampitodihana ny fankahalana mankany amin'ny Frantsay hanafainganana ny fampidirana ny tafika Frantsay eto Madagasikara hiarovana ireo terataniny sy ireo mizaka ny zom-pirenena ao aminy. Eritreritra ihany anefa ny ahy fa enga anie ho diso ny eritreritro. Ny anongotsongoana ny maty manko, hono, tahotry ny handevim-belona...

 

Jentilisa 26 janoary 2013

Lalana sy Tetezana ary Tohatra

2013-01-13 @ 22:38 in Ankapobeny

Efa ela aho no te-hanoratra ka ho fanombohana ny taona 2013 dia mba ho vaovao tsara no hisantatra azy! Nikaroka ihany aho fa jamba angamba fa ny zavatra nokarakarain'ny tena sy ny karazana fialamboly niarahana tamin'ny fianakaviana angamba no hoe nahafinaritra tamin'ny farany sy fanombohan'ny taona dia izay ihany. Sambany ihany koa no tsy mba nisy orana, araka ny fitadidiako, izany fetin'ny faran'ny taona teto Antananarivo izany hany ka betsaka, hono, ny olona no nandehandeha teny an'arabe ka toy ny andro atoandro ihany.

 

Izahay moa efa zatra loatra amin'ilay faritra lazaina ho mafanafana angaha ka tsy nanana eritreritra hoe handehandeha amin'ny alina izany. Izaho rahateo tsy hanaiky tsy haka sary, izany hoe hitondra fakantsary, raha amin'ny fotoana toy izany, nefa ny tahotra no ho bebe kokoa. Raha hitady na hiandry ilay vaovao tsara anefa toa tsy hahita mihitsy ka lasa sakana tsy amoahana ny vaovao izay efa maromaro sahady fa dia aleo manoratra avy hatrany aloha. Dia miarahaba ny rehetra izany nahatratra ity taona vaovao 2013 ity. Alefa hatrany ny firariantsoa na eo aza ny fanahiana sy ny karazana tsindrimandry-tsinapa tsy dia tsara loatra fa aleo aloha mba zavatra tsotsotra no hanombohana...

 

Lalana: Voambolana efa nanana ny lazany hatry ny elaela. Nanomboka tamin'ny hoe : "Amboary Ny Lalana". Niampita tamin'ny "Tohizo ny Lalantsika" ary niafara tamin'ny "Iny Lalana Iny" hatreto. Misy ny hadrohadro tamin'izany fotoana nanao hoe: "Ny lalana angaha azo hanina?" rehefa hita fa tontosa ilay fampanantenana fa na izany aza karazana lalan-dràn'ny tanàna sy ny firenena io ka tsy hitako izay hanamaivanana azy. Efa mandeha indray izao "tetikasa Lalankely" izao saingy efa misy miova anarana sy habe ilay izy angaha ka aleo tsy resahina loatra. 

 


Dia ao anatin'ny tetezana indray ny Malagasy amin'izao fotoana izao. Tetezamita, hono, no anarany saingy ny hadrohadron-dRamalagasy tsy azo ahifika fa nivadika tsimoramora ho tetezamitatra ny anarany. Miitatra tahaka ny sima misoka manko ny fe-potoana iasan'ny mpitondra lazaina ho tetezamita ka tsy fantatra intsony izay hiafarany. Mety ho lasa Repoblika manokana mihitsy koa ilay tetezamita satria efa averimberina hatrany fa roa taona izao ny Repoblika fahaefatra.

 

Nefa mety ho ny vanim-potoana Tetezamita koa no fahaefatra eto Madagasikara raha itodihana ny tantara. Tetezamita voalohany ny 1972-1975 izay tetezamita tokony hifarana ny 1977 fa tapaka sy nohafainganina tamin'ny 1975. Tetezamita faharoa ny tamin'ny 1991-1992. Tetezamita fahatelo ny tamin'ny 1996 ary ny tetezamita fahaefatra ny nanomboka tamin'ny 2009 ary tsy fanta-piafarana ka mety haharitra folo taona na roapolo taona, eny mety hihoatra aza. Koa diso ve aho raha manoratra hoe Repoblika Tetezamita Fahaefatra isika izao?


Fa ny zava-baovaon'ny 2013 no lazaiko anareo. Nanambara ny filohan'ny FAT fa hanamboatra ny tohatoha-bato Antaninarenina sy Ambondrona. Nomarihany mazava fa ny Prezidansa fa tsy ny Kaominina no misahana izany fanamboarana na fandrakofana ny tohatoha-bato izany. Raha ny fisantaran'asa manko no jerena (jereo ato ny sary) dia tahaka ny tsy ho esorina ny vato efa eo fa tovonana vato hafa eo ambony fotsiny ilay tohatoha-bato.

 

Nihazakazahana ny naka sary satria mety tsy ho hita intsony ny endrik'ilay tohatoha-bato amin'izao fotoana ary mba ahafahana manao fampitaha amin'izay tena antony nilàna ny fanavaozana ireo tohatoha-bato tokoa. Tsy matihanina ny tena sady tsy sahy mizesta ho mpaka sary igagàn'ny olona sy mety hanaitra ny mpanendaka koa ialàna tsiny indrindra ny mety ho tsy fahafaham-po. Manoratra izany aho satria na izaho aza tena tsy afa-po mihitsy! Dia mirary soa e!

 

Hatreo ny sary tamin'ny tohatoha-baton'Antaninarenina natao fotsy sy maintsy satria efa ho taloha izany ny sary fa dia ho hitantsika indray ny mety ho endriny vaovao. Fa lasa ihany ny saina hoe nahazo aingam-panahy tamin'ny nandehanana tany Jerosalema ve ranamana ka maika ny hanavao ny tohatra. Nanonofy tam-patoriana tahaka an'i Isiraely ve ka nanapa-kevitra tampoka ny hanao tohatra hiakarana sy idinan'ny... olona? Sa te-haka tso-drano amin-dRanavalona Reniny hitondra maharitra ny firenena dia mba amboarina ny tohatra mitondra ny anarany? Mba misy sary miloko ihany fa eto angamba vao apetaka.

 

Hatreo ny sary nalaina teny amin'ny tohatoha-bato Antaninarenina fa hiakatra ny tohatoha-bato ampita avaratra kosa isika dia ny mankeny Ambondrona izany.

 

Ary dia aleo faranana amin'ny sary mainty sy fotsy ihany!

Jentilisa 14 janoary 2013

Ny Malaso sy ny mpanararaotra

2012-09-13 @ 17:33 in Ankapobeny

Somary mbola mamirifiry ny maraina sy ny hariva fa mafanafana ny atoandro. Toa mifanahatahaka amin'izany ihany koa ny toe-draharaha eto Madagasikara. Mafanavay ny zavamisy eto an-toerana, mampangovitra toa tsy ahita-mitsinjo ny vodiandro. Valalanina ny rehetra. Izay namboly izao krizy izao sy ny minia manao izay hitohizany ary ny mahalala ny tanjon'izao finiavana handripaka na handroaka ny olona any amin'ny faritra atsimo ihany sisa no mahafantatra ny tanjony sy ny antony hanaovany izao fomba mamohehatra izao.


Tsara ihany koa ny manamarika, raha ny fomba fijeriko, fa misy ny manararaotra ao anatin'izao krizy izao. Miverina indray ny 26 janoary 2009: tetika nentina nandravana ny hari-pananan-dRavalomanana Marc nanerana an'Antananarivo sy nanerana an'i Madagasikara ny ampitso (27 janoary 2009) no nanaovana ilay diabe mody nolazaina fa hanafaka ireo mpianatra telo nosamborina ka hotsaraina teny Anosy, kanjo hay hamotika ny RNM sy ny TVM vao nanana fitaovana raitra dia raitra sy ny MBS mbamin'ny Magro no tena tanjona. Izay no paika voalohany fa niitatra avy eo noho ny fanararaotana.


Raha todihana manko izay lasa nosoratako izay dia nisy ny tetika hamotika an-dRavalomanana Marc tamin'ny alalan'ny famotehana ny fananany. Niitatra tampoka tamin'ny fandravana ny Jumbo score Ankorondrano sy ny espace Zoom teo akaikiny izany. Tsy tao anatin'ny tetika nomanina fa avy amin'ny mpanararaotra. Lasa ihany koa ny fandrobàna ny Citic Center sy ny Supreme Center mbamin'ireo misy center teny ho eny... Avy amin'ny fanararaotana avokoa izany. Izay no niavian'ilay fomba fiteny hoe "mora ny manomboka ady fa tsy azo vinavinaina ny famaranana azy. Isaky ny vita ny fivoriana tao amin'ny kianjan'ny 13 mey dia miala any indray ilay fanararaotana handroba na hampihorohoro olona. Azo lazaina ho nifarana iny rehefa natao izay nanakanana ny fivoriana teo amin'ny 13 mey.


Tsy voatery ho Olobe no niavian'ilay fanararaotana fa avy amin'ireo hafa mihevitra ny tenany ho madinika sy mba te-haka ny "kely" anjarany. Efa hafahafa raha vao nahare fa an-jatony ireo dahalo nanafika fa tsy ampolony intsony. Efa raikitra ny adihevitra fa tsy asan-dahalo tsotra io fa misy ambadika, ary mety ho fiokoam-bahoaka, saingy mbola vinavina ihany izany. Tsy taitra na mody tsy taitra loatra ny fitondrana fa notohizana tamin'ny fanokanana Lapan'ny Fitsarana iray tany amin'iny faritra iny ny raharaha. Hatreto mifamafohafo ny raharaha ary tsy mbola fantatra ny tena tanjona kinendrin'ny "mpanakorontana".


Niteraka fanararaotana ilay fitarihana ny olona handroba tamin'ny 26 janoary 2009, dia niteraka fanararaotana ihany koa ny fanangonana ho dahalo an-jatony. Ny Malaso dia ireo andiana mpangalatr'omby ary tsy mangalatra afa-tsy omby fa tsy mikitika zavatra hafa ary tsy mamono olona ihany koa na dia mety hahatratra ampolony ihany aza ry zareo no miara-dia. Ny mpanararaotra kosa dia ireo mandroba izay rehetra hitany na omby na vola na entana hafa, mety manakan-dalana ihany koa mandroba ny mpandeha amin'ny fiara fitaterana, mety ho mandoro tanàna na dia ny mpitandro ny filaminana aza no tena malaza amin'ny fandoroana tanàna io. Manararaotra amin'ny alalan'ny fanaovana fanamiana ka tsy ahafantarana intsony izay mpitandro ny filaminana amin'ny mpandroba mba tsy ilazana fa ny mpitandro ny filaminana ihany no mandroba.


Dia eto isika izao, misy ny tetika na tanjona farany tian-kodiavina, fa mety ho tafiditra anatin'ny tetika ihany koa ilay fanararaotana. Manararaotra toy ny banga mihomehy alina ny mpangalatra sy ny vao mianatra mangalatra rehetra satria tsy voafehy intsony ny fitandroana ny filaminana. Tsy misy intsony ny rafitra mahasahy mijoro fa samy matim-bola daholo, tsy mahalala afa-tsy vola... nefa ny fomba tsara indrindra hahazoana vola sy hiaina am-pilaminana dia avy amin'ny fanaovana ny marina sy fiarovana ny marina sy ny rariny mandrakariva. Dia eto isika: saika tsy voafehy na niniana tsy nofehezina ny fandrobana saika isan'andro nandritra ny tolona laoranjy nefa dia Antananarivo ihany no tena nanjakan'izany eo amin'ny sehatry ny sarambambe. Ankehitriny kosa lasa ny faritra no ipoiran'izany tsy fifehezana ny fandriampahalemana izany. Ho sahirana kokoa izay miezaka ny hitandro ny filaminana satria midadasika avy folo na zato heny ny faritra mila fehezina nefa ny olona vonona hitandro ny faritra toa mihavitsy sy tsy marisika "hamono tena" amin"izany.


Tombontsoan'iza ny isian'ny korontana eto Madagasikara? iza no (olona ambony) mahazo vahana rehefa gaboraraka ny fandriampahalemana? Ny famahana ny valin'ireo fanontaniana ireo no ahafahana mahafantatra izay tena ao ambadik'ireo mpamboly ny korontana eto Madagasikara. Eritreritra ny ahy no ilazako fa ao amin'ireo mpifehy ambony ny fitandroana filaminana na fiarovana an'i Madagasikara no misy ny atidoha na ny mpiray tsikombakomba amin'ity raharaha mahamenatra mamotika tanteraka ny maha-firenena an'i Madagasikara ity. Lozako! Lozanao ry mpiray tanindrazana fa avelako sy avelanao ho potika ny firenentsika manoloana ireo tsy mataho-tody mandroba ny harena rehetra eto Madagasikara.

Jentilisa 14 septambra 2012
 

Ny Dahalo sy ny Fokonolona

2012-09-08 @ 10:36 in Ankapobeny

Sanganehana ihany miatrika ny zavamisy amin'izao fotoana izao. Tonga amin'ilay hoe tsy azo anoharana isika ankehitriny. Maro zavatra tokony hotantaraina saingy tsy hita izay holazaina. Amin'izao fotoana izao no tokony hanjaka tokana ny haino aman-jery satria tsy hisy olo-tsotra mpampita vaovao any amin'ny toerana tena itrangàn'ny voina. Hafa ny fitantarana izay nitranga fa hafa ihany koa ny fanehoan-kevitra amin'ny zava-misy; fomba fijery no tena fototry ny tantara. Dia ahoana? tsy manan-kambara mihitsy ve?


Anisan'ny nanaitra tamin'ity raharaha atrehina ity ny nahenoana voalohany fa an-jatony ny dahalo manafika, ny anarana Remenabila no tena malaza na aiza na aiza. Nisahotaka ny olona nefa ho aiza moa fa misintaka ny tanàna fotoana vitsivitsy dia miverina any amin'ny misy azy indray. Nalaza fa nisy ny hetsika nataon'ny mpitandro ny filaminana, saingy toa ny tanànan'olona betsaka no nodorana rehefa tsy nahitana mponina tao. Nilaza moa ny manamboninahitra nitarika ny hetsika sy nampandoro tanànan'olona fa mba tsy hiverenan'ny dahalo amin'io toerana io no nandoroana ny tanàna, izany hoe efa nosokajiana ho dahalo avy hatrany izany ny mponina tao. Tsy fantatra ny fihetseha-pon'ny olona na mety noho ny fandrahonana hoe handroba ny... tsy dahalo... na... dahalo karazany hafa sy matanjaka kokoa no ho avy ka naleony nilefa sy nanavotr'aina, fa ahiako hisy fifampiangana  ny andaniny sy ny ankilany tao anatin'iny hetsiky ny tafika izay niala teo an-toerana noho ny "repli strategique" lasa fiteny malaza.


Variana ihany koa ny besinimaro eto an-drenivohitra rehefa mifanafika sy mifamely ny ao amin'ny tafika sy ny dahalo toa vitsivitsy ihany no voa, ain'olona tokoa ireny ary tsy azo lavina fa matetika dia tsy mihoatra ny folo no maty, nefa naninona no ny fokonolona no mifanafika amin'ny dahalo no saiky nahatratra zato no maty? Misy baraingo mipetraka eo ambony lohan'ny tsirairay nefa izay mponina sy efa niaina ihany ary mahalala ny fomba fisainan'ny olona any amin'ny misy ity toe-javatra mampalahelo ity no manana ny antony ka mba ambarako etoana. Tsy avy any atsimo aho ary tsy nipetraka any fa ireo avy any no nohenoina ka nitantara.
Voalohany, manamarika izy ireo fa mbola misy sy miasa izany odigasy izany. Tsy kitoatoa na habobo ny andrenesana fa toa mandalo fotsiny amin'ny dahalo ny bala maro atifitra azy ireo, hoy ny mpitantara. Raha misy ny fifanandrinana aza gaga raha sendra zavona tampoka ianao, natao iny tsy ahitanao iza misy ireo dahalo sy mitoky amin'ny odiny. Odibasy no ananan'izy ireo ka tsy mahagaga raha vitsy no matiny. Fa fahasahiana kosa no tena miasa rehefa atao "iray sy iray" amin'ny fitaovam-piadiana tsy mipoaka ny ady. Avy amin'ny fifanandrinana mivantana tsy misy basy no tena maro ny maty. Nahoana?


Fanaon'ny dahalo rehefa hanafika izy ny mampilaza mialoha, tsy resabe izany fa lasa fananon-dry zareo io ho fanindriana izay tafihina hiomanany raha mahavita miomana ry zareo. Eo no manapa-kevitra ny mponina na handositra na hiatrika ny fahavalo, raha handositra dia efa manaiky resy izay. Raha hiatrika ny fahavalo kosa dia tena ady toy ny tamin'ny ady lehibe faharoa no atrehina: rehefa tsy mahafaty izay mifanandrina amiko aho dia izaho no maty. Tetika iray iatrehan'ny mponina ny dahalo na mpanafika hafa ho avy dia izao: Ny lehilahy matanjaka sy mahery rehetra no voalohan-daharana amin'ny ady amin'ny fahavalo, tsy misy mahazo mihemotra na mandositra fa ny manenjika sy miaro tena ihany no azo atao. Ao aoriana kosa ny zaza amam-behivavy sy ny antitra ary mandrisika ihany koa ireo voalohan-daharana. Raha misy mandositra ireo lehilahy mahery dia ny ao aoriana, izany hoe ny zokiolona sy izay malemilemy indray no mamono azy, izany hoe ireo mpiray tanàna aminy ihany. Nahoana? koa izy mahery aza lasa mandositra mihemotra koa haharo tena ve ireo heverina ho malemy sy tsy afa-miaro tena ao afara? Noho izany samy miaro ny ainy avokoa ny rehetra. Koa raha ho faty ihany tsy aleo ve maty miady amin'ny fahavalo toy izay maty vonoin'ny mpiray tanàna noho ny tahotry ny ho faty? Lasa manana hery fiarovana ny ainy tsy ho faty eo amin'ny mpiaro ny tanàna ka vita hatramin'ny mahafaty olona maro. Amin'ny fahasahiana fampilazana mialoha dia tsy maintsy valiana fahasahiana mafimafy tsy matahotra ny ho faty intsony na inon-kidòna na inon-kihatra, ny fokonolona no manana izany toe-tsaina izany fa tsy ny miaramila sy ny zandary izay manao ny fiarovana ny tanindrazana ho KARAMA fa mba miaro ny ainy tsy ho "fatifaty foana" ihany koa. Resy lahatra aho fa marina io fitantarana nataon-dry zareo io.


Aiza ho aiza ny Fitsarana sy ny fanadihadiana? Ataoko fa tsy miteny intsony izany rehetra izany rehefa ny aina no arovana. Ny mahavariana amin'ity resaka ity dia ny finiavana hanakely hatrany ireo miaramila sy zandary alefa any an-tany fiadiana fa ny fiarovana ny lapan'Ambohitsorohitra indray no nakana mpiambina an-jatony. Tezitra avokoa ny olona ary misy aza moa ny miteny hoe na arivo aza no hiambina azy eo rehefa samy hanavotra ny ainy dia ny ainy ihany no avotany fa tsy hisy hiaro izay mpibaiko izany eo. Misy tetika eo matoa atao vitsy ny any an-tany fiadiana fa samy miandry hoe inona moa izany no tena tadiavin'ireo mpitarika ny fitandroana ny filaminana hanakelezana isa ireo irahina ireo? Sa sanatria avy amin'ireo mpibaiko ireo ny lohan'ny dahalo mandravarava etsy sy eroa ireo?

 


Jentilisa 8 septambra 2012

Nahoana no niala Ambatovy?

2012-08-29 @ 15:55 in Ankapobeny

Fanamarihana eto am-boalohany. Ny zavatra soratako etoana dia hevitro samirery, tsy misy hafa nanolo-tsaina na nanery hanoratra izao ary tsy misy olona na fikambanana na rafitra hanakana ahy koa amin'ny fanoratana azy ity ihany koa.

Eritreritra nandeha noho ny zavatra novakiana sy ny zavatra mitranga amin'izao fotoana izao. Maro ireo lohahevitra tiana horesahina saingy misy sampona hatrany fa ity kosa karazany antsoina hoe maika ihany. Misy fandraisana an-tanana na "initiative" mety ho voasakana manko ka malahelo ihany ny tena raha tsy tontosa tokoa ilay izy.

Tsy dia maharaka loatra aho hoe iza sy iza avy no mpanohana ny TEDxAntananarivo, fa ny hany fantatro dia toerana telo no azo ividianana ny tapakila ho amin'io hetsika io hihainoana hevi-baovao mendrika hohenoina ary mety hitondra ho amin'ny fampandrosoana: Chill'Out Ambondrona, Urban Café Antsahabe ary ny Outcool Ampasamadinika. Hetsika izay kasaina hotontosaina amin'ny Asabotsy 1 septambra 2012 manomboka amin'ny roa ora tolakandro. TED fanafohezana ny hoe Technology, Entertainment, Design izay manana ny tarigetran'ny fanapariahana ny «Ideas worth spreading». Manana ny mpikarakara izany ny eto Antananarivo ka mitondra ny anarana TEDxAntananarivo saingy azo tadiavina amin'ny tenifototra #TEDxTNR ihany koa.

Amin'ny ankapobeny, ny tsy miankina izay tena kitro ifaharan'ny fampandrosoana no mandray an-tanana amin'ny hetsika sahala amin'itony ary ny tsy miankina ihany koa no antenaina ho mpanohana azy itony. Amin'ny hetsika nomanina ho amin'ny Asabotsy izao dia ny orinasan'Ambatovy no mpanohana iray goavana noheverina hisahanana ny fampitaovana sy ny kojakoja hafa. Nitsoaka andaharana tamin'ny fotoana farany anefa ity orinasa iray ity ka nahasanganehana ireo mpikarakara. Tsy azony loatra hoe fa naninona no niala tampoka ity orinasa goavana iray ity? Vokatr'izany: eo am-pitadiavana orinasa na fikambanana na olona hafa ho mpanohana io hetsika io indray ry zareo mpikarakara. Manainga antsika etoana mba hierirteritra ny amin'izany.

Izay soratana manaraka kosa dia tombatombana ihany, tsy voatery ho marina ary tsy voatery ho diso ihany koa. Izay novakiana tany amin'ny gazety tany sy tany amin'ny famoaham-baovao hafa koa no nanaovana tsoa-kevitra sy tiako ampitaina. Tsy mahalala ny antony nihemoran'Ambatovy isika rehetra fa karohina kosa ilay izy. Tsy voatery hilaza ny antony ny Sherrit fa azy izany, saika hanohana izy no mety ho tojo fahasahiranana tampoka dia naleony aloha mandamina ny ao an-tokantranony. Tsy misy manery antsika noho izany hino izay soratako. Averina hatrany izany hialana amin'ny filazana hoe: "Dia tena izany mihitsy HONO". Tsia, tsy afaka ny hitompo teny velively aho fa mba mitady ny antony ihany koa.

Resaka ambany latabatra saingy nivoaka tamin'ny gazety iray, andro vitsivitsy lasa izay, ny filazana fa nisy tompon'andraikitra ambony nitaky tamin'Ambatovy handoa vola 800 tapitrisa dolara, hatreo tsy maninona loatra aloha, fa ny vola dia arotsaka amin'ny kaontin'olo-tsotra valo, izany hoe androtsahana zato tapitrisa dolara avy, fa tsy amin'ny kaontin'ny fanjakana. Sahiran-kevitra hoe ny tompon'andraikitra, ny tale jeneraly, hono, nanaiky ny handoa ny vola mba hahafahana miasa fa nandà avokoa kosa ny tale rehetra hafa teo ambany fitantanany. Tsy nisy noho izany ilay fandoavam-bola tany amin'ireo kaontin'olo-tsotra any amin'ny banky... Hatreo no voalaza. Tena fomba fiasa-na Mafia izany hoy ny eritreritro...

Vao nivoaka tamin'ny gazety indray fa tsy nomena fahazoan-dalana hiasa i Ambatovy. Izay izany no tohin'ny raharaha! Fomba ahoana moa no haneken'ny olona kosa hoe kaontin'olo-tsotra any amin'ny banky no handrotsahana vola? setriny: tsy nahazo ny fahazoan-dalana hiasa Ambatovy. Tratran'ny kenda roroka noho izany ilay orinasa, voatery nitsoaka an-daharana tamin'ny fanohanana hetsika, dia eto isika amin'izao fotoana izao. Marihana fa tombatombana daholo ireo fa izay tena iharany ihany no mahalala, tsy voatery hilaza ny antony nialany anefa Ambatovy fa mba hevitra fotsiny iny ahy. Anjaranao ny mino na tsia...


Jentilisa

29 aogositra 2012

 

"Tatitra Teknika" tamin'ny fihaonambe GVO

2012-07-14 @ 08:37 in Ankapobeny

Efa mihoatra ny folo andro sahady izay ny fihaonambe fanaon'ny Global Voices Online isaky ny roa taona. Maro ny zavatra azo raisina sy tantaraina saingy lasa aretina mpahazo ahy mihitsy ny fahakamoana hitatitra araka ny tokony ho izy. Ankoatra ny fitantarana maha-bilaogera manavanana ahy kokoa satria malalaka ny fomba fanehoana azy dia misy koa ny karazana tatitra teknika kely tahaka ny an'ny mpanao gazety. Izany angaha aloha no avoaka etoana mandra-paha...

 

Nisy fihaonambe nokarakarain'ny fikambanana Global Voices Online fanaony isaky ny roa taona notontosaina tao an-drenivohitra Kenyana, Nairobi tamin'ny 28 jona ka hatramin'ny 3 jolay lasa teo. Nihaona tamin'izany ireo bilaogera, mpanao gazety, mpianatra mpanao fikarohana, manampahaizana momba ny teknolojian'ny aterineto ary ny solontenan'ny orinasan-tserasera goavana tahaka ny Google. Nanana solontena roa tamin'izany isika Malagasy, izay samy bilaogera avokoa. 

 

Mizara roa ny fihaonana ka ny andiany voalohany (28 jona - 1 jolay) no nanaovana ny fivoriambe anatin'io fikambanana miorina an-tserasera io. Marihina fa fikambanana iraisampirenena manana ny foiben-toerany ao Amsterdam, Hollande ny Global Voices Online ary sehatra miezaka ny manasongadina ny vaovao tsy fantatry ny fampahalalam-baovao goavana tandrefana loatra. Vitsy kokoa noho izany ny vaovao avy any Amerika Avaratra sy Eoropa Andrefana no hita ao fa vaovao avy aty Afrika, Amerika Latina, Azia, Oseania, Eoropa Afovoany sy Atsinanana no ezahina asongadina. Mampiavaka ny tranonkalan-dry zareo ihany koa ny fandikana ny lahatsoratra na vaovao avy amin'ny fiteny anglisy ho amin'ny fiteny 30 ka anisan'izany sady mavitrika ny fiteny malagasy. Nifampiresahana tamin'izany ny ho avin'ny fikambanana, ny fanatsarana ny zavatra ataony tahaka ny fiarovana na fisoloana vava ireo bilaogera na mpanao gazety tampenam-bava na migadra ohatra. Eo ihany koa ny fanampiana ireo vondro-piarahamonina mbola tsy maharaka loatra ny fifampitam-baovaon'olotsotra ao amin'ny aterineto. Soso-kevitra nivoaka tamin'izany ny hahabetsaka kokoa ny lahatsoratra sy votoaty momba ny kolontsaina sy zavakanto, ny sakafo sy ny nahandro, ny fanatanjahantena, ny biby (tontolo iainana) ankoatra ireo vaovao politika na sosialy hafa mahazatra antsika. Reharehan'ny GVO mihitsy moa ny filazany fa ry zareo no nahita sy nampita voalohany indrindra ny "Lohataona Arabo" niainga tao Tonizia.     

 

Notanterahina ny 2-3 jolay kosa ny Fihaonambe Global Voices 2012 izay azon'ny daholobe andraisana anjara. Solontena avy amin'ny firenena 60 no nandray anjara tamin'izany. Ankoatra ny filazana ny toetry ny aterineto, ny zavamisy any amin'ny tontolo sasany (Arabo), ny fizotry ny hetsika Occupy manerantany dia  maro ihany koa ny atrikasa sy Barcamp natao. Anisan'ny lohahevitra ny fananganana tambazotra Afrikana hampatanjaka sy hahafantaran'izao tontolo izao ny zavamisy aty Afrika atsimon'i Sahara, ny fijoroana vavolombelona ataon'ireo mavitrika amin'ny media sosialy Kenyana ho fanabeazana ho olom-pirenena sy ny hikarohana na/sy hitodihana amin'ny vaovao tsara, na zavamisy mahafinaritra misy eto Afrika fa tsy hosaronan'ny vaovao ratsy toy ny ady sy hanoanana ary ny fahantrana fotsiny. Ao ihany koa ny fampakarana ny lanja sy ny lentan'ny vehivavy eo amin'ny sehatry ny tenkolojia, ohatra noraisin'ny mpitari-draharaha ny fahafantaran'ny rehetra ny olo-malazan'ny aterineto lehilahy fa tsy misy na inona na inona kosa fantatra amin'izay mety ho vehivavy manampahaizana na manana ny anjara toerany eo amin'io sehatra io. Maro tsy voatenisa ny lohahevitra nodinihana raha tsy hanonona afa-tsy ny fahalalahana haneho hevitra, ny sivana mihatra amin’ny firenena sasany, ny fomba hiarovana ny bilaogera sy ny mpanao gazety amin’ny fampitam-baovao ataony, ny fanatsarana ny fomba fanoratana lahatsoratra, ny tokony hanomezan-danja ny tenindreny ary ny sisa hafa mifandraika amin’ny tontolon’ny aterineto sy ny fampitam-baovao an’olo-tsotra.

 

Manana tombotsoa manokana i Madagasikara amin’ny fisian’ny teny malagasy ao anatin’ity tambazotra iraisampirenena anisan’ny goavana sy lehibe manerantany ity, satria sady manome lanja sy mampahafantatra ny fisian'ny teny Malagasy no manampy ny mpanara-baovao amin’ny aterineto hanaraka ny  vaovao iraisam-pirenena amin’ny teny Malagasy.

 

Misaotra nahavaky hatramin'ny farany.

 

Dia teto Nairobi (fahatongavana)

2012-06-29 @ 06:20 in Ankapobeny

Miarahaba ny rehetra indray amin'ny alalan'ity lahatsoratra ity. Elaela tsy nanoratra nefa tahaka ny hahavita izany indray satria ratsy dia ratsy ny fifandraisana aty amin'ny toerana ivantanako. Mba misy tombony ihany ny tahaka izay satria tsy variana mamaky teny intsony fa mba mikaroka izay hosoratana amin'izay.


Fantatsika moa fa misy zotra-pifandraisana Afrikana ihany mampifandray an'i Madagasikara amin'i Afrika. Iray amin'izany ny Airlink izay Afrikana Tatsimo araka ny fahalalako, iray hafa ihany koa ny Kenyan Airways fantatra amin'ny anarany ary manana ny tigetra ho "The Pride of Afrika" na ny reharehan'i Afrika. Raha niala tany an-tanindrazana ny tena, tsy dia feno loatra ny voromby. Angamba mitady ny seza aloha ny ankamaroan'ny mpandeha fa ny nifanitsy taminay tsy nisy olona. Roa ihany izahay no iray laharana. Voamarika kosa fa saika ny androatokon'ny mpandeha no Karana avokoa, ary tsy vitsy amin'izy ireo no mitondra ny pasipaoro malagasy. Zara fa nisy kosa, fa nisy ihany, ny Malagasy.


Teny an-dalana moa tsy dia nisy loatra ny olana, Teny Swahili sy teny Anglisy no hita amin'ny seza ary tahaka izany ihany koa no heny resahin'ireo mpikarakara amin'ny mpandeha. Rehefa tonga teo amin'ny seranampiaramanidin'i Jomo Kenyatta izahay. Variana ihany fa manana irony lalantsara mampifandray ny voromby amin'ny seranana irony ry zareo. Isika kosa moa efa ambakainy raha amin'izay lafiny izay. Somary mba nisy fifanindriam-potoana kely teo amin'ny voromby roa teo Ivato, ny iray zotra anatiny ary ny anay zotra ivelany fa tsy afa-nandeha aloha izahay fa ry zareo zotra anatiny no mandeha eny amin'ny tarmac, araka ny fitenenana vahiny, io zotra anatiny io moa dia hita fa ny teratany vahiny eoropeana no tena maro an'isa. Rehefa tapitra avokoa ry zareo ireo vao afa-nanitsaka ny tarmac izahay hizotra eny amin'ny voromby hiondrananay. Mba efa nitsidika firenena ila-bolantany atsimo hafa izahay fa toy izany ihany koa ny tany.


Saiky nahafanina ihany ny nivezivezy tao anatin'ilay seranam-piaramanidina vahiny, sady sambany rahateo no nankaty. Gaga nahita ny lalana ho an'ireo hiampita hiondrana any an-toerankafa nefa saika tsy nahita izay lalana ho an'ireo hitody. Soa fa nisy Malagasy iray tonga dia niteny hoe tsy any mihitsy ny lalana fa atsy ka! Somary nifampiresaka moa izahay avy teo. Efa mpivezivezy firenena maromaro ihany ranamana, indrindra fa ny firenena Afrikana, araka ny filazany. Rehefa hivoaka isika, hoy izy, dia etsy amin'ny firenena mpikambana ao amin'ny Comesa no andehanantsika fa tsy tokony handoa visa (US$50) isika. Tsy nahita izay fanamarihana izay aho, ary gaga ihany satria raha ny tokony ho izy tokoa dia ao anatin'izany fikambanana izany isika. Saingy rehefa tonga teo amin'ny fandoavana visa dia nandoa vola ihany ny Malagasy (tsy mandoa kosa ny Maorisiana ohatra!). Gaga ilay ranamana nilaza taminay teo satria vao tamin'ny volana desambra izy no nandeha taty, ary tsy nandoa visa, hono.


Tsy dia nisy olana loatra ny resaka fisavana teo amin'ny seranam-piaramanidina. Tsy nisy fisavana, fa ny mahaliana ahy kosa moa dia ny fisavana rehefa hody any an-tanindrazana na hifindra firenenkafa indray. Nisy taratasy izay manko nofenoina tany anaty voromby anoratanao izay zavatra manana sanda betsabetsaka na lafolafo miaraka aminao. Mety ho ampitahainy amin'izay ny io taratasy nofenoinao io sy ny zavatra entinao ary ho fantany avy hatrany ny zavatra novidianao teto Kenya. Tany aloha ny eirtreritro satria tsy nariany iny taratasy iny. Lesona azo raisina ilay izy raha izay araka ny eriteritro izay tokoa. Saingy ho hita eo ihany moa, satria toa mifandrindra amin'izay ifanarahan'ny ao amin'ny mpikambana COMESA ilay izy, na misy politika ambadika amin'ny fanaovan'ny Kenyana io famenoana taratasy io. Eto aho somary miverina kely satria nisy adino. Tao anatin'ny fiaramanidina, vao teo am-piaingana kelikely dia nomen'ny hôtesy taratasy fenoina avy hatrany izay rehetra mifarana eto Nairobi ny diany. Nieritreritra moa aho tamin'izay hoe mba be fombafomba koa ry zareo izany... Saingy samy manana ny fanaony moa ny rehetra.

 
Rehefa teny an-dalana hody vao tantara, tena mihitsoka ny lalana "fodiana", ny olana amin'izy io? Miara-mirava avokoa ny mpiasa dia miara-mamonjy ny fonenany, hipoka ho azy ny lalana ary mifanety ny fiara. Ny tena miteraka ny fitohanana, hoy ilay saofera nitondra anay, isaky ny rond-point no ajanon'ny polisy ny fiara handehanan'izay mifanapaka amin'ilay lalambe (tsy mbola misy mitovy amin'izany lalana izany any amintsika hatreto. Rehefa maraina hiasa sy ny hariva hody izany ny lalana no mihitsoka amin'ny ankapobeny raha ny filazan'ny saofera nitondra anay fa dia ho hita eo moa ny amin'izay. Adiny roa ny lalana nandehananay ry zareo a! nefa mitovitovy amin'i Ivato Analakely ihany raha heverina. Izay aloha fa rehefa avy eo indray manao misimisy.

Jentilisa, Nairobi 29 jona 2012.



Haleloia sy hosana ho an'ny PHAT

2012-06-11 @ 11:02 in Ankapobeny

Akory ny hasoan'ny zava-bitanao ry mpitondra mahefan'ny fahefana Avon'ny tetezamitatra efa anatin'ny repoblika fahaefatra? Na ny zaza miana-mandeha aza ataoko fa mahita ny rentirenty sy ny fanjelanjelatry ny tanàna amin'izao ankatoky ny tsingerintaonan'ny fiverenan'ny fahaleovantena Malagasy izao (Ny eto Antananarivo no hitako). Fantatrao dieny mialoha fa ho ampoka sy feno ny hafalian'ny olona miatrika izany. Efa voavinavinanao fa tsy ho ampy hiravoan'ny olona raha izay iray na roa andro hilanònana ho amin'izany ka dia natsanganao tapabolana mahery mialoha sahady ny podium nabahana ny lalana etsy Anosy anoloan'ny Radio Nasionaly Malagasy. 

 


Tsy maintsy nataonao izany hitsinjovana ny sehatra goavana tsy antonona raha tsy arabe efatra andalana. Eo rahateo no faritra malalaka eto Antananarivo ankoatra ny kianja efa nofefena hitandroana ny fahadiovan'ny tanànan'Antananarivo. Fantatrao fa io no androm-panafahana ny sorisory taorian'ireny fanelingelenana amin'ny alalan'ny grevy isan-karazany ireny ka hanehoan'ny vahoaka iray manontolo fa miara-dia aminao mpitondra ry zareo. Ny vahoaka madinika no tena maro an'isa amin'ity firenena ity ka ireo no tena tsinjovinao mba ho mamy hoditra eo amin'ny Malagasy iray manontolo tsy mivaky ianao. Tsy maninona na dia voatery hioadina aza ny fiara rehetra mpandalo amin'iny faritra iny satria tsy misy hery miala avy amin'ny fandehanana fiara, ary tsy misy havizanana manatrotraka avy raha mba miodina mitady lalan-kafa izy ireny satria ny lasantsy ihany no mety hisy akony kely, saingy kely ihany ny volan'olona miala amin'izany. Tsy dia ahoantsika loatra ny fitohanana aterak'ilay lalana tapaka fa ny fitohanan'ny fiara no porofo mitohoka amin'ny tendany fa mandroso be ny olona no efa manana fiara, ary rehefa be tahaka izany dia midika izany fa mandroso ny firenentsika. Dera ho anao ry mpitondra!

 


Efa maminavina sahady ny saiko fa raha izao aza efa mifaly sy mitsinjatsinjaka ny olona, angamba rehefa tonga ny 26 jona 2012 efa tafakatra velona any an-danitra avokoa isika Malagasy rehetra. Angamba rehefa tonga ny fetim-pirenena ho podium kely avokoa ny faritra be olona manerana an'i Madagasikara, hiravo sy hifaly manatrika ny artista malagasy, horakora-pitsinjahana no hameno ny lalana sy ny arabe rehetra. Hihinjitsinjitra manerana ny lalana kosa ny omby sy ny akoho amam-borona ho nofon-kena mitam-pihavanana. Hihinana sy hiletra izay laniny ny tsirairay, ho voky sy hahara-dia ny namany avokoa ny rehetra. Mbola mety hisy ny tsy ampoizina hafa hataoanao fanomezana ho an'ny vahoaka Malagasy. Dera ho anao sahady ry mpitondra amin'izany vinavina azo tanterahana soa aman-tsara izany!

 


Tsy izay ihany fa misy tahaka izao koa, raha kivy dia kivy ny mpitia ny baolina fandaka fa baolina valo ihany no saiky azon'ny TVM omena ny mpijery Euro 2012 ilay fifaninana anisan'ny faratampony sy mahafinaritra manerantany, indro ny tananao sy ny herimponao, indro ny fitiavana avy aminao sy ny fahalalahan-tanana mampiavaka anao, ny hambom-po sy ny fitiavan-tanindrazana efa nasandratrao avo, fa nahafoy vola ho famalifaliana ny Malagasy. Talentanao io ary izay no nametrahana anao ho eo amin'io toeram-boninahitra io: hamalifaly ny Malagasy! Hanome fahafaham-po ny Malagasy! izay no notadiaviny sy nifidianany anao tamin'ny 60% mahery. Natolotrao ahy ho hitany avokoa ny lalao rehetra mandeha amin'izany Euro izany. Vola avy aminao, hoy ny naverimberina, no nanaovanao izany ka tsy misy volam-panjakana mihitsy, vola madiodio avy aminao, hoy ny fandre. Toy ny tenin'ny Soratra masina izany ka ekena tsy misy adihevitra, ary ataoko fa mitovy hevitra amiko avokoa ny mpamaky rehetra eto. Somary mampanahy fotsiny, nefa mariky ny harena eto Madagasikara sy ny olona ao aminy fa misy ny olon-tsotra toa anao manana harena atolotra ny vahoaka hamalifaliana ny vahoaka noho ny fanjakana mijoro. Dera ho anao ry mpitondra!

 

 

Raha tsy mitovy hevitra amiko moa ny mpamaky ataoko ahoana fa samy manana ny safidiny io. Eny fa na izaho aza moa tsy mitovy hevitra amin'izay ambarako loatra nefa izay ilay fahalalahana! Dera ho anao ry mpitondra!

Jentilisa

Nosakanana tsy hanoratra dia amoronana lainga i Jentilisa

2012-06-02 @ 23:41 in Ankapobeny

Mety ho gaga angamba ianareo raha alimbe tahaka izao indray vao manoratra etoana. Tsy maintsy manoratra satria misy ireo mitady hanala baraka. Mba nanam-potoana manko aho dia niady hevitra tao amin'ny http://www.tim-madagascar.org/forum/list.php?1  kanjo afaka fotoana fohifohy dia tsy afa-nanoratra tao intsony. Dia novakiako ihany izay soratra tao fa raikitra amin'izay ny fanoratana izay lazaina fa nosoratako hono. Dia tery aho hanoratra etoana satria manjakazaka ery izao Tsimahafotsy na/sy Ebania izao manala baraka rehefa tsy afa-manoratra ao intsony ny tena. 

 


Mampiahiahy tanteraka noho izany ny ataon'ny ao raha ny mpanompa olona mbola afa-manoratra tsara ao amin'io sehatra io fa ny hafa kosa tsy afa-nanoratra intsony. Efa nanoratra tamin'ny mpitantana ihany moa ny tena fa tsy misy valiny sady raha ny fanaony tsy hahazo valiny izany e! Tsy tompon'andraikitra amin'izay lazaina fa nosoratan'i Jentilisa ao amin'io forum io aho manomboka izao fotoana anoratako izao.


Tsy maintsy mirary soa ny reny rehetra ihany koa amin'ity vaninandro ity satria fetin'ny reny eto Madagasikara amin'ity alahady ity. Hahafaly anareo anie ny nateraky ny kibonareo ary hifanantitra amin'ny vady aman-janaka ianareo. Manoroka anareo amin'ny mahazanaka ihany koa eee!

 


Jentilisa 3 jona 2012 amin'ny 1:40 eto Madagasikara

Fanararaotana ny 9 mey Andron'i Eoropa

2012-05-08 @ 09:10 in Ankapobeny

Araka ny re teny ho eny, tsy ho eny Ivandry no hanatontosana ny andron'i Eoropa amin'ity indray mitoraka ity fa eny amin'ny Lapan'ny Tanànan'Antananarivo Analakely. Nandre ihany koa fa asaina ny ao amin'ny fitondrana tetezamita amin'ity fotoana ity, ary mety ho tonga hatramin'ny fandraisam-pitenenan'i Andry Rajoelina aza izany, nefa aleo mody apetraka amin'ny honohono daholo aloha. Raha tontosa moa izany, karazany efa fametrahana tsikelikely ny fankatoavana avy any Eoropa io toe-javatra iray io. Asa hanao ahoana ny ho fizotrany amin'io andron'ny 9 mey 2012 io? Ho fotoam-pireharehana eo amin'ny fitondrana misy ankehitriny ve? Hanao ahoana ny ho mety ho fihetsiky ny mpanohitra amin'izay fotoana izay?

 

Raha somary nijery antontan-kevitra momba azy ity aho no nahita fa diso ny fahalalako momba ity andron'i Eoropa 9 mey ity. Diso satria nafangaroko hatrany any amin'ny fandresen'ireo mpiara-dia tamin'ny Ady Lehibe Faharoa noho ny andro mifanesy rahateo, ny andron'ny 8 mey no fotoam-pankalazana ny fandresena nanoloana an'i Alemaina Nazi ho an'ny tontolo tandrefana rehetra raha ny andron'ny 9 mey kosa no hanatanterahana izany ho an'i Rosia sy Eoropa atsinanana sy afovoany. Noho ny fanaovana sonia indroa miantoana nataon'i Alemaina ho mariky ny fahareseny teo anoloan'ny tafika mpiara-dia etsy andaniny ary teo anoloan'ny tafika mena (sovietika) ankilany no anton'ny fahasamihafan'io fotoam-pankalazana io. Tsy io androm-pandresena teo amin'ny tafika miara-dia io velively ity andron'i Eoropa ity fa manamarika zavatra hafa hosoratako etsy ambany.

 

Araka ny antontan-kevitra ato, tamin'ny taona 1985 no nifidianan'ny Vaomiera Eoropeana tao Milan ny Fanambaran'i Shuman ny andron'ny 9 mey ho andron'i Eoropa. Tamin'ny 9 mey 1950 no nanaovan'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Frantsay, Robert Schuman, tao amin'ny Quai d'Orsay, Paris, ny tolo-kevitra hametrahana rafitra eoropeana lehibe hanara-maso sy hanambatra ny vokatra frantsay sy alemana eo amin'ny fitrandrahana arintany sy ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany. Miorina eo amin'ny fifandraisan'i Alemaina sy Frantsa hampiroboroboana ny toe-karena (Eoropeana) noho izany ity Andron'i Eoropa ity fa tsy tamin'ny fiafaran'ny ady teo amin'ny samy eoropeana nisian'ny resy sy ny mpandresy.

 

Amin'izao fotoana izao, efa tafajoro ny vondrona Eoropeana. Manana saina sy vola ary hiram-pirenena iraisana. Fanararaotra izao hanazavana amin'ny olona ny mombamomba ity Andron'i Eoropa ity. Saingy izao: Fony tonga teto ny governora jeneraly vaovao De Coppet tamin'ny 19 mey 1946, teo amin'ny Lapan'ny tanàna Antananarivo no fiarahabana eo amin'ny mpitondra sy ny entina, ka nisian'ny hiaka hoe "Vive de Coppet, Vive l'indépendance!". Teo dia efa karazany fanaovana fitakiana io toerana io, ary tsy adinoina fa teo ny voanjo no nitaky ny isamborana ny depiote MDRM tamin'ny 1947. Toeran-danonana io toerana io ary sarotra ny hanaisotra ny maha-toeram-pitakiana azy na dia ny tsy azy hanaovana intsony ho toeram-pitakiana aza no fanirian'ny mpifehy ny firenena amin'izao fotoana izao.

 

 


Jentilisa 8 mey 2012


 

Mipaka hatraiza ny baomba?

2012-05-03 @ 22:27 in Ankapobeny

Ny toetr'andro eto Antananarivo no mangatsiaka fa ny zavatra tiana atao eto kosa no mafana dia mafana. Nanomboka tamin'ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso tetsy Ambohijatovo, toa misy baomba mipoaka hatrany isan'andro. Voalaza moa fa nisy baomba tsy nipoaka teny amin'ny Jirama Ambohipo ny alahady. Toerana takona moa ny any ka tsy dia misy mahafantatra loatra. Tsy fantatra loatra hoe inona no tanjona tiana apetraka fa izay nitranga ny 2 sy ny 3 mey ho hotantaraina kely.

 


Ny 2 mey, nipoaka tetsy anoloan'ny IFM misy ny CCAC tetsy aloha ny baomba lazaina voalohany. Ny fipoahana no nanakoako araka ny filazan'ny olona fa tsy nisy kosa ny zavatra simba. Na ireo fiara roa teo andaniny sy ankilan'ny "baomba" aza dia tsy naninona loatra. Heverina fa karazana tsipoapoaka somary be vanja, araka ny vazivazy, no natao tamin'ity fotoana ity. Kilalao ve sa fampitandremana? Raha baomba atao tànana izany misy lanjany ihany ny havesany. Maivana anefa no natao izany hoe natao ho fanairana ilay izy... na entina ho fampitandremana ny frantsay... Folakandro tamin'ny telo ora latsaka no nanapoahana ny baomba, tsy nisy nahamarika ny olona fa ny fipoahana no nampikorapaka.

 



Ny 3 mey indray, mbola nisy hatrany ny fipoahana ary teo amin'ny orinasam-barotra manana ny lazany, sady vao vita haingana (nandritra ity tetezamita ity) no kinendry. Ny voamarika voalohany aloha: somary lefy laza ity tranombarotra ity nandritra ny fitondran-dRavalomanana fa karazany voasongon'ny tranombarotra Shinoa Baolai misolo tena ny Chongong eto Madagasikara. Nivadika ny rasa rehefa niongana ny fitondrana teo aloha. Niroborobo indray ity orinasan'ny Karana iray ity. Voamarika fa mbola folakandro ihany ary tanelanelan'ny tamin'ny tamin'ny roa sy tamin'ny telo no nisy ny fipoahana (tsy voafaritra mazava tsara hoe tamin'ny firy no nisy ny fipoahana). Nahasimbana ny fitaratr'ilay orinasa ary naharatrana olona iray ity fipoahana ity. Voamarika fa ora mitovitovy no nanaovana ny fipoahana tahaka ny milaza fa vondrona na olona iray ihany no manao azy. Azo  heverina kosa anefa fa mana-pahaizana amin'ny fanapoahana no nanao azy satria karazany hafa ankoatra ilay voalaza tetsy ambony no napoaka: mpiteraka angovon'aratra manko no mandrafitra ilay baomba amin'ny ankapobeny. Tsy lavitra fa 100 metatra miala amin'io toerana io monja no misy ny kaonsilà jeneralin'i La Frantsa. Mbola fampitandremana ho an'ny frantsay sy izay heverina ho terataniny ihany ve?

 

Misy ny gazety tonga dia miampanga avy hatrany ny ankolafy Ravalomanana [sary mila jerena] ho ao ambadik'izao fanapoahana baomba izao. Ny mpanohana ny ankolafy Ravalomanana anefa mieritreritra fa fanodikodinan-doha entina handravana na hisamborana ny mpitarika ny ankolafy izao raharaha izao. Tsy vitsy koa ny mieritreritra fa fomba atao hampidirana ny miaramila frantsay eto Madagasikara izao toe-draharaha izao satria tsy atokisany loatra ny tafika malagasy. Andron'ny fahalalahan-gazety moa ilay izy fa ny tonga dia mitoroka tsotra izao fa itsy na izaroa no nanao azy dia tena fanalam-baraka sy fanosoram-potaka tsotra izao. Atao ahoana moa fa tsy maintsy tadiavina izay endrikendrehina mba hamahana ny olana any ambadika any angamba. Na izany na tsy izany, misy ny fitenenana manao hoe izay mamafy rivotra mijinja tadio. Hiverina any amin'ny mpanao azy ihany ny tahaka ireny ary melohiko tanteraka na ny fanendrikendrehana ankitsirano na ny fanapoahana ireny baomba ireny. Tsy maintsy hieritreritra ihany ve izany fa hisy baomba hafa hipoaka indray ny andro manaraka amin'ny ora voalaza etsy ambony ihany? Entina hampanginana ny fitakiana samihafa etsy sy eroa ho ramatahora hoe samborina ve izy itony? Sa endrika fanehoan-kevitra hafa somary mahery vaika kokoa? [sary ihany] Mbola mifanontany ihany isika nefa mbola vao miandoha ity ny volana mey volana mafana eo amin'ny tontolo politika malagasy...

 

 


Jentilisa 
04 mey 2012



Tapak'elatra?

2012-04-19 @ 01:26 in Ankapobeny

Ity lahatsoratra ity dia mifandrohy sy mifampitohy avy amin'ity lahatsoratra iray hafa ato ity. Efa nosoratako ary fa efa ela no nitadiavako ity hira ity sy ny tonony ahafantarako izay dikany ka hitako ihany na ny hira na ny tonony izay nadikako ho amin'ny teny malagasy azonao ahitsy.

Nohazavaiko fohifohy fa tsy misy fiankinana amin'ny hery ivelan'ny hery sy fahaizan'olombelona no tena votoatiny azo asandratra anatin'ny tononkira ary eto an-tany ihany no paradisa. Raha te-hahita azy marina ianao dia tsindrio ny rohy etsy ambony.

Rehefa nahare aho dia mitodika any amin'ny antony nandraisana ny hira indray aho ho hiram-pitolomana tamin'ny 2009. Inona no tena nandraisana azy? Somary efa nanaitra ny tena ihany ny mahita ny anaran'ny haino aman-jery mpanohana ny filohan'ny FAT (hatramin'izao) saiky manomboka amin'ny V avokoa, tahaka ny hoe Viva, la Verité, inona ny Vaovao... Misy ny sarimihetsika antsoina hoe V tahaka ny Valifaty... izay nalaina avy amin'ny tantaran'i Guy Fawkes, ilay katolika nankahala ny fanjakana protestanta tao Angletera ka naleony miaramilan'i Espaina. Efa nivoaka sarimihetsika izany tantara izany. Fa sarimihetsika ihany koa ny 1492, tantaran'i Colombus nahita an'i Amerika sy fanombohan'ny nahahenika ny Espaniola nanerana ny kaontinanta ary heverina ho tsy ho tafala ao intsony...


Viva teny espaniola, V ahafantarana ilay anglisy (heverina ho protestanta) nanao miaramilan'i Espaina (heverina ho katolika) efa noteneniko anarana etsy ambony ihany. Raha ireo no jerena dia miaina sy mpanaraka sarimihetsika fatratra ny mpanao ny tetipanorona ao amin'ny fitantanana amin'izao fotoana. Raha ny votoatin'ny hira efa volaza etsy ambony toa miankina amin'ny heriny ihany ry zareo, na miankina amin'ny herin'olombelona (hafa) sy ny hery avy amin'ny fisainan'olombelona. Koa raha hifanandrina amin'izao hery sy fahefana izao, hahavita ankoatra ny fandravana ve? Raha ny toy izany ihany, toa tsy kely ny fanantenako fa tonga amin'ny fotoanany indrindra ny tsy fitenenana na inona na inona loatra, ilay tsy fitarainana amin'ny zavatra tsy mety. Eny tsy fotoana iandrasana ny herin'olombelona na ny sainy intsony izao fa aleo ilay mahery noho ny olombelona no hiasa raha misy koa izany. Heveriko fa tsy hah


Dia ahoana moa hoy ny faran'ny hira teo? "Tahaka ny elatry ny fanantenana nahazo sidina" Elatra? nahazo sidina? satria tsy misy olona intsony mahatohitra ny sitrapony dia tahaka ny fambara amiko ihany raha toa ka misy ny olana madinidinika tamin'ilay "Elatra" nefa nahatonga azy ho tsy afa-nisidina tamin'ny fotoana heverina hiaingany. Eny tsy mahateny loatra intsony ny olona fa manara-baovao tsimoramora tahaka ny mahazatra ihany. Sa izay tokoa ilay hoe "Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina"? [Eksodosy 14:14]

 


Taperina ny rediredy fa efa lava izay aloha!

Jentilisa

 

 

 

Ny Toe-tsaina no enti-mandresy #Apps4Africa

2012-03-21 @ 11:13 in Ankapobeny

Satria nanatrika ny valan-dresaka sy ny fifampitafàna notontosaina tao amin'ny Centre de Presse Malagasy ny tena tamin'ny Asabotsy 17 marsa lasa teo. Satria hita ho nafana ny adihevitra sy ny karazana fitarainana nametraka fa natao tenimidina ho an'ny Malagasy ny lohahevitry ny fifaninanana mandeha amin'izao fotoana izao ary efa hifarana sahady, fa tsy nisy ny fifampidinihana ary tsy nisy ny fampandrenesana ny besinimaro. Dia somary gaga ihany ny tena hoe oviana koa no nisy fifaninanana hoe andao isika (malagasy) hidinika fa hanao fifaninanana isika dia hojerentsika hoe inona no lohahevitra ifaninanantsika? Hanoratra kely ihany ny tena na dia tsy tompon'andraikitra misahana ny fifaninanana aza.


Voalohany, toe-tsaina ananantsika malagasy amin'ny maha-nosy antsika sy amin'ny maha-mponin'ny nosy antsika ny tia miavaka ary efa mahazatra antsika hatrany ny mamerimberina fa tsy Afrikana ny Malagasy. Raha manara-baovao ireo afaka manao izany dia na ny vaovao eto an-toerana no arahiny izay zavamisy matroka hatrany no manjaka na ny vaovao tandrefana no arahina satria ireny no fenitra ho antsika. Ny haino amanjery akaiky antsika dia ny haino amanjery eoropeana sy amerikana somary lavidavitra kokoa fa izany vaovao afrikana izany tsy mahasarika antsika loatra. Ny lozam-piarakodia tanaty lozoka nahafaty mpianatra tanora kely ampolony ka Belza no maro an'isa tamin'izany no mety hanohina antsika kokoa fa tsy ny fahafatesan'olona 200 mahery tany Kongo Brazzaville etsy Afrika.


Faharoa, mitovitovy daholo ihany ny fotoana nomena ny rehetra ka tsy dia ilaina loatra ny mitaraina noho ny fahateren'ny fotoana. Ny zavatra iray manahirana ny mieritreritra azy dia misy ireo manampahaizana no mimenomenona any ambadika any saingy tonga taty amiko ihany ny resaka fa nokobonin'ny "Malagasy i-Hub" irery ihany ny vaovao momba ny fifaninanana "Fanamby hiatrehana ny fiovaovan'ny toetrandro" ka tapa-bolana sisa tsy hifarana vao mody navoaka ny fanambarana. Tsy haiko loatra aloha fa vao nanomboka kelikely ny fifaninanana aty amin'ny faritra misy antsika no efa nandeha ny fanentanana isian'ny vondrona miketrika momba io lohahevitra io tao amin'ny vohikalan'ny Malagasy i-Hub. Tsy fantatro loatra hoe tahotra tsy hahazo loka ve no anton'ny fitarainana sa isika kosa no tsy nikaroka loatra vao nahita ny fifaninanana? Efa faharesena sahady manko raha toa ka lazaina ho misy ny manafim-baovao.


Rehefa amin'ny tranga tahaka itony dia tsara raha hiaraha-mikaondoha ny ho atao ahitana izay zavatra tsara avoaka. Vahaolana sy fomba hamahana ny olana no karohina fa tsy ilaina intsony ny mametraka olana hafa hatrany. Raha izaho manokana aloha tsy ny handray olana hafa no andehanana any fa ny hikaroka ny hevitra mety hamahana olana na hevitra entina ampiasaina amin'ny fampiharana manodidina io lohahevitra io.


Raha ny hevitro manokana, noho ny fidadasiky ny lohahevitra dia zavatra tsotra ny fampiharana ilaina. Mety amin'ny finday tsotra izay ananan'ny besinimaro fa tsy hihazakazaka amin'ny finday avo lenta any. Ny zavatra ilaina dia fitaovana entina hamahana olana fa tsy voatery hamaha ny olana rehetra tsy akory, ary ny akaiky indrindra dia fitaovana entina mampita vaovao na zavamisy mifandraika amin'ity fifaninanana ity. Fa inona ary io zavatra tsotra io? Marihina fa raha izaho manokana dia ekeko ny tsikera hoe akaiky loatra vao misy ny fifampidinihana fa tokony tany amin'ny volana febroary tany no nanaovana azy mba hananana fotoana malaladalaka kokoa, saingy izao aloha no zavamisy ka mazotoa hatrany mikaro-kevi-baovao ry zareo.


Marihina fa firenena dimy ihany no mifaninana hitako momba ity Apps4Africa faritra atsimon'i Afrika ity dia i Afrika Atsimo, Botswana, Madagasikara, Zimbabwe ary Mozambika. Avy teto Madagasikara ny mpanentana no hizotra ho any Mozambika... izany hoe mbola aoriantsika ny fahalalàna ny vaovao momba azy ity ny firenena iray farafahakeliny satria nitety ireo firenena ireo no ataony amin'izao fotoana izao.

Hanala sorisory fotsiny fa tsy hitolona

2011-11-22 @ 22:50 in Ankapobeny

Herinandro aho izay no nanoratra raha misy loza manambana ny tanàna noho ireo fifandonana sy korontana isan-karazany somary misesisesy ihany. Dia nitohy indray izany ny 22 novambra 2011. Tsy ilay heverina ho nomanin'ny sasany, araka ny fijeriko azy, fa fihetsika tsy nampoizina avy amin'ny fihetsika tsy nety fa fikasihana nataona Shinoa aminà Malagasy. Niteraka korontana teto afovoan-tanànan'Antananarivo moa izy io. Toa karazana kisendrasedra ihany hoe andro vitsy mialoha ny hahatongavan'ny Deba no nisy izany tranga izany (Eo amin'ny politika tsy misy kisendrasendra!)


Rehefa dinihina indray, ankoatra ny kajikajy efa niomanana mialoha tsy hitako tamin'ny fiandohan'ny zava-nitranga ny andro talata, dia zavatra mandalo ihany iny toe-javatra iny fa tsy ho lasa lavitra izany (Marina ny tenin'ilay Jeneraly malaza tamin'ity tetezamita ity). Tsy ho taitra velively ny olona rehefa tsy kasihana amin'ny zavatra ataony (na tsy ara-dalàna aza izany zavatra ataony izany). Antomotra koa moa ny fetin'ny faran'ny taona ka misy ny mitady hanararaotra haka fanomezana maimai-poana, hoy ny sasany. Raha ny toe-javatra sahala amin'ireny dia tsy hain'ny mpanohitra amin'izao fotoana izao velively (Ankolafy Ravalomanana indrindra indrindra) ny hanararaotra hitarika olona na hisintona olona hanaraka azy handroba izany.


Sahiko ny milaza fa hatramin'izao, ny maro an'isa be dia be tamin'ireny olona nihetsika teny Behoririka ireny dia ny safidy politika tao aminy ihany no tazoniny ho azy, izany hoe mbola hanohana ny Fitondrana ankehitriny izy ireny raha raikitra ny fifidianana. Na dia sahirana dia sahirana aza ireo olona ireo dia ireo mitantana ankehitriny ihany no hotohanany satria tsy manana fahaiza-manao amin'ny serasera sy ny fampitan-javatra velively ny ankolafy mpanohitra. Manana mpamita hevitra amin'ny sehatra tsy miankina amin'ny aterineto matanjaka dia matanjaka ry zareo ary hainy mihitsy ny mampiasa ny tsy fananan'ny olona na ny fahasahiranan'ny olona ho vokatry ny fanakorontanana sy fanelingelenana ataon'ny mpanohitra. Tsy mahavaly ireny karazam-pampitan-kevitra ireny mihtisy anefa ny avy amin'ny mpanohitra ka mahakely hatrany ny heriny ankoatra ny aty amin'ny aterineto irery ihany izay tsy mbola mahazo vahana amin'ny Malagasy eto Madagasikara amin'ny ankapobeny.


Fehiny: fanalana sorisory (fanalana azy) ihany ireny nitranga ny talata 22 novambra 2011 ireny fa tsy anatin'ny tolona velively. Fahaizan'ny mpanararaotra ny ambiny ary rahampitso alarobia no hahitantsika izany. Azoko atao tsara ny miteny hoe enga anie ho diso hevitra ihany aho saingy kely finoana ny amin'izany mety ho fahadisoan-kevitro :D

 


Jentilisa 23 Novambra 2011 amin'ny iray maraina eto Madagasikara

Fiantraikan'ny Feon-dakolosy

2011-11-13 @ 15:40 in Ankapobeny

Alahady ny andro dia hiresaka feon-dakolosy ny tena. Amin'izao fotoana moa ny fiangonana no tena mampiasa izany feon-dakolosy izany. Toy ny zava-maneno rehetra dia azo anaovana feon-kira ihany koa ny lakolosy, indrindra moa fa ny amin'izao fotoana. Taloha dia ny fiangonana katolika irery ihany no nampaneno lakolosy misy feon-kira fa amin'izao fotoana izao efa misy ihany koa ny fiangonana protestanta (FJKM indrindra indrindra) manana ireny lakolosy mamoaka feon-kira ireny.


Ankehitriny moa dia monina akaiky fiangonana mampaneno lakolosy isaky ny amin'ny enina maraina ny tena. Efa zatra azy io ny  mponina ety fa izaho kosa nahazo lesona avy taminy. Hitako lasa voasokajy telo ny olona eo am-panenoan'ny lakolosy vao maraina.


Ny sokajy voalohany dia ireo efa taitra, maneno mafy tokoa ilay lakolosy ary heno tsara ny feon-kira navoakany. Mampilaza ny olona izy izany fa amin'ny enina ora maraina izay. Filazana hafa ambadika dia hoe tongava manao vavaka maraina fa fanaovana izany izao.


Ny sokajy faharoa dia ireo mbola rendremana, toy ny heno izany ilay lakolosy nefa toa lavitra ny feony saingy izao: toy ny manako hatrany ilay feo-kira. Na dia efa nitsahatra aza ilay lakolosy dia manako any anatin'ireo rendremana rehetra ny feony, mety miverina indroa na intelo na inefatra aza. Anisan'ny mampiavaka ny lakolosy tokoa angamba izay toetrany manako any anaty izay: Antso fanairana ny rendremana!


Ny sokajy fahatelo dia ireo renoka tanteraka! izaho rehefa tena renoka fa tsy mahare na inona na inona fa asa ianareo na toa ahy. Tsy misy lakolosy heno izany, tsy misy manaitra... Izay fotsiny no tiako resahina fa anjaran'ny tsirairay ny manitatra an!


Jentilisa 13 novambra 2011, amin'ny 17:37

Mon premier article

2011-10-26 @ 18:08 in Ankapobeny

Réussir à écrire son premier article serait une bonne chose qui puisse arriver à ceux et celles qui ont depuis longtemps voulu se lancer dans l’activité, qu’est l écriture journalistique. En ce moment, je ne cache pas ma joie et ma sensation de liberté à l’idée de pouvoir exposer ici mes idées et opinions.

Eh oui, je suis vraiment en train d’user et d’abuser de ma liberté d’exprimer, et cela même dans les réseaux socio-professionnels, sur internet ect…Sans doute, la recrudescence de la nouvelle technologie dont l’internet a fait le bonheur des amateurs de l’écriture d’un journal, c’est une opportunité pour les médias citoyens de faire passer leurs messages dans un but quelconque. Chacun à sa manière et bien sûr, il ne tient qu’à chacun de nous de le faire en tout  âme  et conscience. Je tiens quand même à préciser que ce premier blog relate tout simplement quelques étapes que j’ai franchi avant de déterminer à écrire, ce blog concerne également la raison qui m’a incité de devenir blogueuse.

 

En fait, il y a très bien longtemps que j’ai toujours souhaité rédiger un article en français et même en anglais. Au début, comme tant d’autre, j’avais du mal à écrire, je n’avais aucune idée sur quoi écrire et par où commencer, alors, je ne faisais qu’admirer les œuvres journalistiques des autres, la plupart de mes temps a été donc consacré à la lecture en vue de découvrir et surtout à apprendre, il m’a fallu du temps pour approfondir mes connaissances avant de décider de passer à l’acte, grâce aux efforts que j’ai surtout fournis dans la lecture, me voilà me trouver dans mon tout initial billet. J’estime que beaucoup de personne ont été exactement dans cette même embarcation lorsqu’ils ont commencé à écrire, mais au fil du temps, chacun finit par trouver sa voie pour se lancer définitivement dans l’activité.

 

En outre, l’écriture était déjà une de mes passions depuis mon enfance, un petit parcours dans le domaine a été déjà traversé à partir du banc de l’école et parfois même avec des bons résultats dans les matières littéraires, ce qui justifie aussi mon intérêt dans la rédaction. C’était juste depuis quelques mois que je me suis rendu compte qu’il est temps que j’exerce et perfectionne cette activité qui m’a beaucoup attiré. Dans ce cas, j’écris non seulement pour le plaisir et l’intérêt que j’y porte mais notamment,je souhaiterais partager quelque chose qui m’intéresse ou qui me fâche, et qui me touche aussi, quelque chose qui fait prendre conscience aux certaines personnes, bref, un article qui a une bonne raison d’être écrit et publié et qui va (j’espère) intéresser quelques personnes.

 

Certainement, en tant encore rédactrice apprentie (je m’en considère), mon article serait loin des expérimenté(e)s, j’avoue que des grands efforts restent encore à déployer dans le but de donner satisfaction à mes lecteurs et pourquoi pas à moi-même, car en faite, mon intention et ma devise serait de toujours continuer à me perfectionner dans tous ce que j’entreprendrai.

 

Pour terminer, je manifeste encore une fois ma joie, elle sera encore grande si j’aurai des lecteurs qui s’intéressent à mon article. Ce sera également avec plaisir d’accueillir les commentaires que ce soient positifs ou négatifs. Vos suggestions seraient les bienvenues, de même, vos critiques me poussent à faire mieux, et à améliorer les choses. Sur ce, je vous remercie de votre aimable lecture et à très bientôt sur un tout autre sujet dont j’espère serait plus amusant et intéressant.

 

 

Mammysou

Na diplomasia na miaramila

2011-10-13 @ 21:19 in Ankapobeny

Haody! haody ry Malagasy sy izay mahay teny malagasy rehetra. Toa mangina hoaho ny tontolon'olo-tsotra mampita izay hitany, tsikariny, ny eritreriny sy ny maro hafa ihany koa? Misy ihany ny miresaka fa vitsy dia vitsy indrindra ny an'ny mpanohana ny tolona hamerenana ny hasin'i Madagasikara nosimbain'ny fanonganam-panjakana! Efa lefy angaha ny tolona natao? Soa fa misy ny vondrona mijoro mandrakariva mampita hatrany ny tolona ka ahafahana manaraka hatrany ny vaovao avy eny an-kianja mba mampifandanja ny vaovaon'ny haino aman-jery manamaivana ny tolona lavitr'ezaka atao satria mety tsy mahaliana angamba ny fitadiavana tsy hikorontana sy mitandro ny filaminana.

 


Faly aho! tena faly... tsy sanatria manoratsora-poana ny fomba fitenin'olona iray fanta-daza fa mba afaka mirehareha tokoa ny tena ankehitriny. Nahoana? Efa hatramin'ny 2009 aho no nanisika hoe karazana movansa iray ny tafika malagasy ka tokony ifanarahana ihany koa raha tiana marina ny hamahana ny krizy. Manoatra noho izany anefa ny nandraisan'ny SADC ny Tafika Malagasy amin'ny ankapobeny ka izao ry zareo mitondra solontenan'ny tafiky ny SADC izao.

 

 
Raha nitondra ny fanelanelanana taty ny solontenan'ny Troika mialoha ny amin'izao fotoana andalovany eto amintsika amin'izao fotoana izao dia nanao fihetsika manokana somary nandidy ankolaka izay ny mpitarika ao amin'ny mpitandro ny filaminana telo tonta. Raha ny kendrena tamin'ilay izy raha jerena amin'izao, sady tsy nety nilaza tamin'ny mpanao gazety izay nentiny tamin'ny diplomaty avy amin'ny Troika moa ry zareo, dia hoe tsy hahatafiditra izay Marc Ravalomanana eto Madagasikara izany ianareo raha mbola mijoro koa ny tafika malagasy. Izany hoe kendrena mba tsy hisy idiran'ny anarana Marc Ravalomanana intsony izay fifanarahana rehetra atao. Ankehitriny raha tonga eto ny solontenan'ny tafika avy amin'ny SADC dia noho iny fihetsika iny. Nety ve noho izany ilay paika nokendren'ny avy amin'ny tafika malagasy? 

 


Tsy nisy lanjany avokoa ny fifanarahana rehetra natao teo aloha sy ny fifampidinihana isan-karazany rehefa tsy nampidirina tanaty sehatra fifanarahana ny miaramila fa nanao karazana mpitondra ny teny sady mpanapa-kevitra farany tsy azo ivalozana ka izay tiany no tanterahana avy eo na inona na inona fifanarahana vita ary tsy nampahomby hatrizay ny efa vita sonia rehetra na dia olona na movansa iray aza no eritreretintsika ho tsy manaja ny soniany. Tsy nahavita nitsipaka ankitsirano izay nosoniaviny iny olona iny raha tsy misy ny tao ambadika sady manana hery izy dia ny avy ao amin'ny tafika izany. Hitan'ny Troika io tranga io ka dia izao nampiarahany tamin'ny diplomaty izao ny solontenan'ny miaramila avy ao amin'ny vondro-pirenena eto amin'ny Faritra atsimo sy atsinanan'i Afrika. Na nampialohaviny lalana mba hahafahan'ny mpanao politika mivory milamina avy eo.

 


Fahadisoana tetika noho izany ny nataon'ny Tafika Malagasy toy ny madidy dia homana mandrava efa amin'ny fifanarahana ezahina vitaina hialana haingana amin'ity krizy mitarazoka ity. Tsy nifampidera basy na fitaovam-piadiana ny roa tonta (Tafika Malagasy sy ny tafiky ny SADC) fa nifandresy lahatra amin'ny anjara toeran'ny Tafika rehefa anatin'ny krizy. Fahadisoan-kevitra satria efa hita ihany ny tsy dia fankasitrahan'ny mpikambana maro tao amin'ny SADC handefa Tafika eto Madagasikara, raha nitsikilo ny telegrama ifandefasan'ny masoivoho amerikana amin'ny sekreteram-panjakana Amerikana tafavoaka ireny isika. Ny Tafika Malagasy indray no nanery ny Tafika SADC hiditra an-tsehatra na dia mirona kokoa amin'ny diplomasia aza no anton-dia eto. Matoa tsy hay tohaina ny fahatongavan'ny solontenan'ny Tafiky ny SADC dia noho ny fampidiran'ny andaniny azy.


Hatreto dia hitako ny fahombiazan'ny fanelanelanana rehefa niditra ny Tafika-Diplomaty. Karazany tafapetraka amin'ny hasiny ny mpanelanelana satria manana Hery koa izy ao ambadika. Mampihatra izay nifanarahana izao no hotontosaina ka "nilaina nampanginina" ny Tafika Malagasy. Rehefa tafapetraka amin'ny toerany ny Tafika Malagasy dia anjaran'ny mpanao politika amin'izay no miresaka. Manantena aho fa ho moramora amin'izay ny hisian'ny fandrafetana ny andrim-panjakana satria tsy hisy afaka ny hibahana intsony na iza na iza; ary ny mety hampihomehy aza dia hanaiky mora ny mpanao politika amin'izay mety ho fetr'isan'olona betsaka indrindra ifampizaran-tseza rehefa miteny ny isa ambony indrindra azo ekena ny "mpampihatra ny tondrozotra" fa tsy mpanelanelana intsony angamba hoy aho. Raha mbola miadaladala sanatria ny Tafika Malagasy dia ireo niady hevitra taminy nandritra ny adiny folo ihany no hamerina kely amin-dry zareo izay efa nifanarahana sy ny anjara toeran'ny mpitandro ny filaminana.



Jentilisa, Antananarivo 13 oktobra 2011 amin'ny 23:20

 

Mangina (1?)

2011-09-28 @ 21:46 in Ankapobeny

alt

 

alt

Toe-draharaha andro iray mialoha ny fitsenana manetriketrika ny filohan'ny FAT avy any amin'ny fivorian'ny ONU. Samia mamakafaka! 

(1?) : Misy tohiny na misy ho tratra hafa ihany koa ve?

 

Jentilisa 28 septambra 2011

 

Nadine Ramaroson : Fahafatesana tsy mazava?

2011-08-29 @ 00:29 in Ankapobeny

Ankona ihany ny tena raha nahare taorian'ny fahafatesan'ny mpanao gazetin'i Midi Madagasikara iray, Stephane Jacob, fa nodimandry ihany koa ny minisitry ny mponina avy ao amin'ny Fitondrana Avon'ny Tetezamita Rtoa Nadine Ramaroson ny andron'ny alahady 28 Aogositra 2011. Voalaza fa lozam-pifamoivoizana an-dranomasina no nahazo azy ka izao nindaosan'ny fahafatezana azy sy mpiara-miasa aminy akaiky izao rehefa avy nanatrika fety tao amin'ny Nosy Ibrahim na Ste-Marie. 


Agrandir le plan


Ilay nahafatesany amin'izay no mahavaka ny saina: Tsy fitandremana ve? Voalaza fa anisan'ny mampidi-doza indrindra io vinany nahafatesany io (Soanierana Ivongo) satria fihaonan-dranomasina sy ranomamy. Mety hamitaka ny fitonian'ny ranomasina tazamaso amoron-drano fa mety hisy onja hisamonta tampoka rehefa eny afovoan-drano ianao. Efa nisy ny olona matin'ny loza mitovitovy amin'izao eo amin'io faritra io ihany. Ny tampoka tsy maha-lehilahy hoy ny fitenenana. Marihina fa mahay milomano Rtoa minisitra avy ao amin'ny FAT saingy izay angaha ny androny.


Fipoahana nahafatesana mpamonjy voina ihany koa: Gazety iraisam-pirenena no nahitana fa nisy olona fito maty raha saiky hamonjy ny lakana izay nandehanany noho ny fipoahana nitranga. Eo no nisy tsy mazava tsara, inona ilay fipoahana na fipoahan'inona ilay izy? Noho izy olona politika mihitsy no niteraka ilay fanontaniana. Ao an-tsaina avy hatrany manko ny hoe sao dia nisy namono kosa?


Tamin'ity volana aogositra ity indrindra dia nisy fanazavana nosoratany tao amin'ny kaontiny Facebook fa nisy fifanolanana teo aminy sy ny Lehiben'ny zandary faritra Analamanga tarihin'ny Jeneraly Ravalomanana. Resaka fisamborana ny mpiara-miasa aminy noho ny resaka tany any Faharetana no nahatonga azy nanoratra somary lavalava ihany. Ny fokonolona ao an-toerana sy ny orinasa Bionexx moa no nifanolana amin'izy io. 


NIlaza ny namana Alain Rajaonarivony fa an'ilay Karana malaza antsoina hoe Akbaraly io orinasa Bionexx io. Tsy fantatro moa na marina izany na tsia fa ny anarana Charles Giblain no hitako ho Tale Jeneraliny ary manana tetikasa iarahana amin'ny AFD (Agence Francaise de developpement) ilay orinasa. Hitako tamina fitadiavana mpiasa moa fa ao amin'ny Immeuble Injet Ambodivona no karazana foibeny eto Madagasikara. Tsy dia midika inona moa izay nambarako izay fa mba antsipirian-javatra tsikaritra fotsiny. 


Ny mahalasa ny fanontaniana kosa dia ny nanaovan'ny Lehiben'ny Zandary faritra Analamanga ity tranga izay tsy tao anatin'ny fari-piadidiany ity. Hatraiza tokoa moa izany ny fahefany? sa mailo noho ilay fifanolanana madinika vao nitranga tamin'ity volana aogositra ity?


Inona kosa ny mampalaza ity Rtoa nodimandry ity? Miseho ho akaikin'ny vahoaka madinika izy ary manampy azy ireny tokoa amin'ny fanaovana tolotolotra. Na manao izany aza ity dia tsy mba hita miaraka amin'ny Association Fitia izay tantanin'ny vadin'ny filohan'ny FAT (fa toa mifaninana aza ve?). Nisy aza fotoana mitsidika tampoka any amin'ireny tsy manankialofana ireny izy, amin'ny andro alina, mamoha azy ireny ary mizara mivantana ny sakafo entiny. 


Etsy ankilany kosa dia maro no manana ahiahy noho izy maika tamin'ny fanalalahana kokoa indray ny fananganan'ny vahiny zaza rehefa naato izany nandritra ny fitondrana teo aloha noho ny ahiahy fangalaran-jaza. Ampangain'ny mpanenjika azy ho miara-miasa amin'ny mpangala-jaza moa izy noho izay fihetsika nataony izay. Raha 3 monja manko, ohatra, ny zaza malagasy natsangana fianakaviana frantsay tamin'ny 2008 dia niakatra ho 26 izany tamin'ny 2009 ary 37 tamin'ny 2010.


Na izany na tsy izany dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany sy ny olona akaiky azy ny mpanoratra.


Jentilisa, 29 aogositra 2011 02:30 maraina, Antananarivo

Lahatsoratra faha-1000

2011-08-22 @ 21:42 in Ankapobeny

Ela ny ela ka nahatratra 1000 ny lahatsoratro manokana. Tahaka ny tsy nampino ihany fa efa fotoana ela dia ela tokoa izy no nilona tao amin'ny 950 mahery tao. Ny somary nampihisatra azy angamba dia lasa ny fanitsiana ny lahatsoratry ny hafa iandreketako no betsaka kokoa noho ny lahatsoratra navoakako manokana. 


Aza taitra fa tsy ny Eto amin'ny maharesaka VETO izany resahiko izany fa ny lahatsoratra nadika avy amin'ny teny hafa (anglisy indrindra indrindra) mankamin'ny teny malagasy. Hananika ny fahaefa-taona amin'ny volana ambony io ny nandikako lahatsoratra izay lavalava ny ankamaroany fa tsy hoe nanenjika isa befahatany vao nahatratra ny 1000 ny vitan'ny tena. Tamin'ny 11 septambra 2007 tokoa aho no nanomboka nandika lahatsoratra ho amin'ny teny Malagasy tao amin'ny Global Voices Online. Azo lazaina fa tsy mora ny nanaovana izany. Mampihomehy ny mieritreritra ilay izy fa tsapako fa vao maika niha-nihena ny fahaizako teny anglisy kely tao amiko tao. Toa heveriko fa izaho nandika tamin'ny voalohany no nahay kokoa noho ny amin'izao fotoana izao. Mahatsapa manko aho fa mihavery avokoa ny voambolana malagasy sy anglisy norantovina fony mpianatra. 


Na dia niezaka ny hamelo-maso mandrakariva ny bolongana aza izahay ao mba tsy ho mena-mitaha amin'ireo teny manandanja hafa dia tsapa ihany ny fahasarotan'ny teny indrindra ka somary mirona amin'ny teknolojia vaovao sy ny fitaovana maoderina no resahina. Na dia ny samy mpampiasa teny malagasy aza manko dia mifanipaka amin'izay tokony ho dikanteny mety. Ny Software dia ny manampahaizana zatra ny serasera namana milaza azy ho rindrankajy, ny mpandala ny teny malagasy hafa sady efa filohan'ny fikambanana mpandala izany teny malagasy izany kosa nametraka ny ho rindrambaiko. Ny teny azo nifanarahana hatreo izany dia ny hoe rindra. Santionan'ny fahasarotan'ny fandikanteny avokoa izany rehetra izany ary efa niainana.


Indraindray ny tena dia mafiloha satria mila kiry ihany ny fitazonana teny iray. Nefa maniry indrindra ny fiarahan'ny rehetra miasa sy manabe voho ny teny malagasy an-tserasera (entiko ilazana ny teny anglisy hoe Online na ny teny frantsay hoe En ligne). Miangavy ny tsirairay, indrindra ireo mahay fiteny anglisy, hanitsy na hilaza eo amin'ny sehatra famoahan-kevitry ny lahatsoratra tsirairay izay dika tokony hohatsaraina. Mazava loatra fa tsy maintsy mamaky lahatsoratra roa na telo haintsika isika dia manolo-kevitra. Lany ny fotoana sy ny ron-doha fa mbola misy ny teny tsy hay avadika hatramin'izao ary maro no teny tsotra aza. Ohatra: ny Gender-Genre, tsy maintsy hoe karazana ve no ilazana azy? Eo ihany kosa ny hoe Data-Base de donnée, mety hatrany ve raha teny iditra no ilazana azy? Tsy hay intsony izay andikana ny Indigene: Indizeny ve sa vazimba? Faramparany teo ny namana iray nahita ny hoe zanatany izay mety hifangaro amin'ny colonie... Dia zavatra tahaka izany hatrany no niainana nefa tsy natao hahakivy loatra na ny lahatsoratra iray manontolo ihany koa no nadaboka.


Marihina fa ny tena dia tsy manampahaizana momba ny teny anglisy sy ny teny malagasy fa mba nitozo tamin'ilay izy fotsiny. Farany, mandrisika ny rehetra hitafa, hanitsy ao amin'io Global Voices amin'ny teny malagasy io ary hampiely ny fisiany amin'ny namana sy ny olom-pantatra rehetra. Mbola mitohy ihany koa ny fiarahantsika eto hatramin'izao ka!

 


Jentilisa 22 aogositra 2011

Fa iza no tena adala?

2011-08-18 @ 09:33 in Ankapobeny

Tsy mety misy miresaka mihitsy ho'aho ny nolazain'ny gazety iray omaly ny zavatra nolanian'ny lazaina fa solotenam-bahoaka e? Na solotenam-bahoaka aza manko izy ireo dia tsy nofidiany kosa fa dia mahamenatra kosa ilay fanapahan-kevitra. Nolaniana ary fa dia vata iray ihany no androtsahana ny vatom-pifidianana Ben'ny tanàna, mpanolo-tsainan'ny tanàna, Ben'ny faritra ary ny mpanolon-tsainam-paritra. O rey olona e! tsy misy dikany ve izany zavatra izany sa tsy raharahiana izay rehetra avokoan'izy ireo fa tsy misy idirantsika ny amin'izany? Sao dia tsy rariny kosa?

Fari-pifidianana roa tsy mitovy anie no voafaritra amin'ireo fifidianana efatra indray miaraka ireo. Manaraka izany dia impiry handrotsa-bato amin'ny vata iray izany? in'efatra? in-droa? indray mandeha ihany? koa inona ny olana ho ahy raha vato efatra ho an'ny Ben'ny tanàna iray no arotsako ao am-bata? efa vata iray ihany anie e! Sa avela hisosa ho azy fotsiny koa itony efa fahadalana mihoa-pampana itony? Dia rehefa tsy mifidy ny olona dia lazaina fa adalany ny azy nefa zavatra efa tsy izy intsony tahaka izao no miseho? Tena ela ny ela fa famotehana tanteraka ny hasin'ny fifidianana no kasaina atao eto.

Ny teti-panorona ao ambadik'ity raharaha ity manko, araka ny fijeriko, dia fanerena mba ho ny fifidianana Ben'ny tanàna sy ny mpanolo-tsainan'ny tanàna ihany no fidian'ny olom-pirenena mivantana fa ny Ben'ny tanàna sy ny mpanolotsainan'ny tanàna indray no mifidy ny Ben'ny faritra sy ny mpanolotsainam-paritra. Any no tian'ny mpanao politika tsy sahy miatrika safidim-bahoaka tanterahina dia mody ahodina amin'ny hoe vata tokana ihany. Efa nolaniana ary izy io dia akory? Izay ve izany no taratry ny fisainan'ny vahoaka malagasy lazaina fa 20 tapitrisa? Ataovy ihany ny leo politika fa mbola hahita ny tsy fahita hafahafa kokoa isika! Marina e!

Horakoraka ny an'ny sahona?

Dia be indray no tezitra tamin'ny mpiantso amin'ny haino aman-jery sasany nefa etsy ankilany tsy mitsahatra ny manasohaso ny mitondra ny firenena hatrany rehefa nahazo horakoraka ny solotenam-panjakana malagasy hanokatra ny 'Afrobasket men 2011' tontosaina eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Tezitra fa hoe tsy mahalala fomba sy tsy mahay manaja ny Malagasy. Misy ny gazety dia miampanga avy hatrany ny mpanohana an-dRavalomanana ho ao ambadik'iny siotsioka tao amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina iny. KOa raha izany tsy saiky ny ankamaroan'ny mpijery tao ve izany no mpanohana ity haratsiana sy enjehina isan'andro ity na dia efa mialokaloka any ampitan-dranomasina any aza?

Dia nanome sosokevitra moa izy hoe tsy vita ve ny mividy tapakila an'arivony ho an'ny mpanohana azy na mpiray antoko aminy dia mitehaka isaky ny misy azo hanaovana izany mandritra ny kabary. Izany ka soso-kevitra na dia mety ho lafolafo ihany aza. Soa aloha fa tsy tany aho, sady tsy afaka nankany ihany koa noho ny asa, fa raha tsy izany dia nohiraiko teny an-tenantenan-kabary teny ny hira fanevan'ny tolona 1947 'Madagasikara Tanindrazanay'... indrisy moa fa tsy ho afaka hanatrika mihitsy aho fa amin'ny fahitalavitra ihany no mba mijery.

Na izany na tsy izany efa niomana tamin'ireny tranga ireny ny Jeneraly Albert Camille Vital, sady miaramila rahateo ny tenany. Efa fantany fa tsy maintsy hisy ny horakoraka hitsena azy. Notohizany ihany ny kabariny ary dia vitany soa aman-tsara. Misy rahateo ny hira fanaon'ny miaramila hoe 'Horakoraky Rasahona, tsiboboka no tompon'ny rano'. Tsy misy milaza an'izatsy na izaroa ho Rasahona sy Tsiboboka akory na izany aza fa dia hira ihany ireny ho fampaherezana izay iharan'ny horakoraka sy tsy ho taitra ny amin'izany.


Jentilisa, alakamisy 18 aogositra 2011

 

Sobika, La Verité, Inona ny Vaovao...

2011-07-25 @ 22:31 in Ankapobeny

Efa tsy manaraka vaovao firy loatra ny tena satria ny eo ihany no mihodikodina eo sady sarotra ihany koa ny miova hevitra. Na izany aza hilaza tsikaritra kely aho. Sendra nanana fotoana fohy aho (minitra fa tsy ora) dia mba nitsidika ilay vohikala malaza efa niova tompo. Am-bolana no tsy nitsidihako azy maharitra intsony indrindra moa rehefa fantatra indray ny tompony vaovao. Ny lohateny fotsiny matetika dia efa ahitana izay ho fizotry ny lahatsoratra rehetra. Akory ny hagagana fa tahaka ny nivily lalana ny fironan-dahatsoratra ao amin'ity vohikala ity sa izaho mihitsy no tsy maharaka ny votoatin'ny Matoandahatsoratra hatramin'izay? Andeha ve atao hoe tsy nirona na nitongilana izany mihitsy izy? Ny mpamaky tsirairay dia efa afaka mamaly sy mahafantatra kokoa noho ny mpanoratra.

 


Nojereko ary ny lahatsoratra farany fa tena karazany mamely an-kitsirano ny fitondrana misy ankehitriny. Ilay lohateny fotsiny dia nahagaga ahy sy saiky nampihomehy irery ahy. "Karatra farany, Fifidianana, antsom-pitaka hitsefotra". Novakiana dia zendana. Nisy ny nanoratra teny antenantenany teny hoe "efa mitsinjo sahady ny fiodin'ny rivotra ve no mitady hivadi-dela indray?" na teny mitovitovy tahaka izany saingy efa voaaisotra ilay teny rehefa niverina namaky aho io alina io; izany hoe mbola mahery ny sivana ao raha ny fijeriko azy na dia miova fiteny aza izy... Io angamba no tena manamarika ny havitsian'ny mpamoaka hevitra avy eo. Lasa ny saiko hoe mitsapa ny halalin'ny rano ve sa ahoana?

 


Raha ny tsikaritro tamin'ny fanaovana sivana aloha dia mety mbola tsy hiova ny fanao na dia hiova aza ny fironana politika, izany hoe tsy antenaina loatra ny fisian'ny fivoarana eo amin'ny toe-tsaina mahazaka ny hevitra sy ny tenin'ny hafa, indrindra izay tsy mitovy hevitra. Manaraka izany, manana tompo ireny vohikala ireny ary azo lazaina hoe matanjaka ny sampana fampitam-baovao ananany. Malaza ihany koa ny gazety roa, ny iray amin'ny teny Malagasy ary ny iray amin'ny teny frantsay, izay samy manana voambolana manomboka amin'ny litera "V" avokoa. Raha metimety sy malaza ve ny "fiovan-kevitra" ao amin'ity vohikala nanana ny lazany ity dia hiova fironana ihany koa ireo gazety roa nolazaiko ireo? Izay no tena nahatonga ahy hanoratra aloha! 

 


Ny zavatra nalaza dia mpandraharaha akaiky dia akaiky ny PHAT ny tompon'ireto sampana famoaham-baovao telo voalaza ireto. Rehefa nipoaka ny raharaha andramena tratra tany amin'ny nosy Maorisy dia nandeha ny resaka, tsy voatery ho marina, fa anisan'ny voarohirohy ilay mpandraharaha. Voatery nitsoaka ranamana, hoy hatrany ny resaka an-jorony, na navela hitsoaka mandra-pilamin'ny raharaha angaha... saingy tolagaga ihany ny tena raha nahita ilay lahatsoratra ka miandry ny fivadihan-delan'ny gazety. Koa raha sanatria mivadi-dela ihany koa ny gazety roa tonta, noho izay mety ho baikon'ny tompony, dia manontany tena aho hoe iza izany sisa ny gazety mpiaro mavitrika ny PHAT?

 


Jentilisa 26 jolay 00:30

Sary Fanakonam-Bolana

2011-06-15 @ 21:58 in Ankapobeny

Tanaty finoan'olona taloha fa rehefa misy ny zava-miseho eny an-danitra dia hisy zava-mitranga ety an-tany. Zavatra natoraly ireny amiko ka tsy voatery arahina finoana ny zavatra hita etsy sy eroa. Mahazo mino izay tianao ihany ianao na izany aza.

alt

alt

alt

alt

 

Dia volana lasa rà ve ny tahaka izao? Mbola ho avy angamba ilay maraina vaovao no tena marina!

Tsy mahita ny mailako aho

2011-06-07 @ 20:59 in Ankapobeny

Somary hiresaka zavatra hafa indray aho ary atao hoe fiainana an-tserasera indray ity resahina ity. Niditra tamin'ilay Yahoo Mail vaovao miloko manga antitra iny ny tena fa tahaka izay nidiran-doza. Rehfa tafiditra ao amin'ny boaty fandraisana aho ka hiditra amin'ny lisitra tsirairay dia tsy misy hita avokoa fa fotsifotsy mangotatana fotsiny no solon'ny votoaty. Nidirako tsirairay daholo ny "taratasy" rehetra fa taratasy fotsy daholo. Gaga aho, noankotrihina (update) fa tsy nisy fiovana. Inona ary ity loza nidirana ity ho'aho? Andao hisolo fafana hoaho ka tsy ato amin'ity Google Chrome ity aho no hijery ny mailaka fa jerena kely ao amin'ny Mozilla Firefox indray. Niditra tao amin'ity notononiko farany aho dia hitako fa indreo hita ny votoatin-tsoratra lasa taratasy fotsy ao amin'ny Google Chrome. Dia asa any aminareo izay efa nanova mailaka Yahoo ho ilay farany iny raha tratran'io nolazaiko io ianareo fa mitantara aho hijeren'izay manam-pahaizana aminareo azy!

Haleloia Mahaleo hiraina vazaha

2011-05-26 @ 11:26 in Ankapobeny

Dia misy tokoa ny mahita raha, raha "La Marseillaise" nohiraina gasy no naseho anao farany dia ny Haleloia Malagasy hiraina any am-piangonan'ny vazaha indray ity manaraka ity. Nahafinaritra an-dry zareo ilay izy ary nataony hoe Haleloia Malagasy ny anarany.

Hirampirenena vahiny sy manaova sonia

2011-05-23 @ 16:34 in Ankapobeny

Malagasy any ambanimbanivohitra any mihira ilay hiram-pirenena

Atao hoe tanora miala voly maka tahaka ilay Malagasy angamba

Tena lasa vanim-potoana mialoha mihitsy ilay mpamorona na efa naheno Rock

Hoy ilay Senegaley tsy nahazo visa izay hoe: "Allons enfants de la Patrie, le jour de gloire est terminé". Na izany na tsy izany mety ho avy indray ny fotoana mianatra ity hiram-pirenena vahiny indray ny Malagasy mpianatra rehetra.

Tena mihamisetrasetra ihany ilay hira ka nanjary toetra ve avy eo? Vita tompoko!

 

Izany hoe mivadika zavatra hafa ity. Mety ho falifaly ianao mihaino sy mijery ny ataon'ireo olona ireo ary voatery nanongilana ny tarehy mihitsy aza tamin'ny voalohany. Fa eo amin'ny toe-draharaham-pirenena dia ilaina ihany ny fanangonan-tsonia indraindray na mpanohitra na mpanohana azy ianao, raha tena demokraty tokoa. Asaina ianao hanao sonia hahazoana olona mizaka zom-pirenena Malagasy iray hirotsaka hofidiana ijerena raha naloambahoaka tokoa izy na ny mifanohitra amin'izay, izany hoe mamim-bahoaka. Izaho mahita fa tsy voatery ny mpanohana azy no manao sonia fa ny mpanohitra azy ihany koa ka te-hahita marina izay ironan'ny mpifidy rehetra. Tsindrio ary ny rohy dia ataovy ny sonia ho an'izay sahy miseho anarana. Marihana fa mila hamarinina any amin'ny adiresy imailakao ny "sonianao" izay fanindriana bokotra fotsiny.

Fitoriana Voalohany azona Bilaogera Malagasy Hotsaraina

2011-05-03 @ 22:20 in Ankapobeny

Na dia saiky zavatra hafa aza aloha no nosoratana dia tsy maintsy manao ity adidy ity ny tena ho fiarovana ny fahalalaham-pitenenana. Tafiditra ho tantara izany fa nisy ny fitoriana voalohany eny amin'ny Fitsarana ny Bilaogera Malagasy Iray eto Madagasikara. Samsoudine manana ny solon'anarana SSD-Dago no nahazo ny loka voalohany notoriana noho ny zavatra nosoratany tamin'ny aterineto. Ary tao amin'ny vondrona Facebook LES INSATISFAITS DE MOOV-ORANGE-BLUELINE ET CIE (PROVIDERS INTERNET) no namoahany izany vaovao izany. Ny mpitory dia ny Moov.


Marihina tokoa fa somary henjakenjana ny teny navoakan'ny namana tao amin'ny bolongany saingy raha ny hatezerana niarahan'ny rehetra nanana tamin'io fotoana io dia mety ho tonga amin'izany mihitsy ny fitenenana. Ny fahatapahana ela dia ela nataon'ny moov nanomboka ny 12 mars 2011 kanefa tsy nisy fampihenam-bidy ny fotoana tsy nahafahana niserasera dia azo lazaina ho karazana halatra ihany izany raha ny fijeriko azy aloha. Ny vahaolana nataon'ilay orinasa moa izany dia ny nitory an-dranamana mba hanana ny lazany kokoa angaha ny MOOV. Ny fotoam-pitsarana moa dia amin'ny zoma 6 mey 2011 amin'ny valo ora maraina ao amin'ny efitra faharoa. Manentana ny mpamaky sy ny "iray asa" ary ireo rehetra tsy faly tamin'iny fahatapahan'ny aterineto iny ho tonga maro amin'io fotoana io. Ary handinika ihany koa izay rehetra azo atao mialoha.

 



Jentilisa 4 mey 2011, amin'ny 00:20

 

Fandrahonana sy Fanekena?

2011-05-01 @ 12:12 in Ankapobeny

Feno 80 taona tamin'ny 29 Aprily lasa teo ny Radio Nasionaly Malagasy rehefa nanomboka tamin'ny anarana hoe Radio Tananarive ka nampiely ny feo hatreo Antaninarenina, nandalo ny Radio Madagasikara ary efa nisy fotoana nanana ny fitaovana raitra indrindra teo amin'ny faritra Osena Indiana saingy noho ny sotasotan'ny sasany moa dia miveriina ho tsizarizary fitaovana indray amin'izao fotoana izao. Tsy mazava amiko tsara intsony moa hoe iza marina no tena anarany amin'izao ora anoratana izao fa apetrako ho Radio Nasionaly Malagasy na RNM aloha. Miarahaba azy indrindra nahatratra izany tsingerin-taona izany na dia mbola tsy tafarina tsara indray aza.


Ny mampalahelo anefa dia tamin'io fotoana io indrindra no nilazana fa harahi-maso akaiky ny famoaham-baovao an-tserasera Malagasy. Tsy mazava hatreto hoe hampidiriny ao anatin'izany ve ny bolongana sahala amin'itony na dia an'olo-tsotra aza sa manakory tsara. Raha miteny ny hoe hanara-maso manko dia tsy toy ny zavatra tsara no ilazany azy fa toy ny fandrahonana anay izay niezaka hatrany ny nampahalala izay niniana na nosakanana tsy nampahalalaina tamin'ny alalan'ny haino aman-jery mahazatra. Inona tokoa no tena anton'ny filazana? Noho ny fanisana indray ny isan'ny mpanao gazety ve ka horarana tsy mahazo mamoaka vaovao intsony izay tsy mahazo karatra? Fandrao dia tiana hosamborina satria 'piraty' izay hafa mbola mamoaka vaovao avy eo ve? Toa fanekena ihany izany, amiko, fa nanana anjara toerana lehibe ny aterineto tao anatin'ny roa taona ka tiana hofehezina nefa fandikana ny fahalalahana haneho hevitra izany, afa-tsy hoe tsy voasoratra ao anaty Lalampanorenana intsony angamba io fahalalaham-pitenenana io.


Mifanindran-dalana amin'izany koa anefa dia misy ny fikambanana na sehatra ivondronan'ny Fikambanana te-hametraka ny anjara toeran'ny mpamaham-bolongana eo anivon'ny fiaraha-monina sy ny fahafahana manapa-kevitra anivon'ny Firaisa-monim-pirenena. Tsorina fa tsy tena mahalala tsara ny momba ny bolongana na bilaogy ry zareo saingy mba te-hahafantatra bebe kokoa. Na tiana na tsy tiana noho izany dia hiditra dingana vaovao ny tontolom-bolongana malagasy mpiresaka fiainam-pirenena. Noho ny fotoana dia tsy afa-namelatra loatra momba ity lazaiko ity aho nefa iriako ho voazavako tsy ho ela ny momba io.

 


Jentilisa, 01 mey 2011 amin'ny 14:10

Nenina fa tsy tany Ivato

2011-02-21 @ 09:59 in Ankapobeny

Lasa ihany ny 19 febroary 2011 na ny andro faha-50 tamin'ity taona 2011 ity. Andro fikasana hodian'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana, na fitadiavam-panakorontanana farany, hoy ny hafa satria efa manakaiky ny fankatoavana iraisampirenena, saingy nosakanana tamin'ny fomba rehetra izany fikasana izany mba tsy ho tontosa. 


Maro, raha ny hita tamin'ny sary, ny olona tonga teny Ivato no vonon-kitsena. Maro ireo avy eto Antananarivo, tsy vitsy ny avy any amin'ny faritra na faritany izay an-jatony kilaometatra niala avy any amin'ny misy azy any no namonjy an'Ivato niaritory sy nanao lava-alina, ary nisy aza ny niainga avy any ampitan-dranomasina avy tany amin'ny nosy rahavavy mihitsy no nidodododo hanamarika sy hiaina ilay fitsenana makotroka. Saingy tsy ny filoha Ravalomanana ihany no tsy nahadingana teny Ivato fa mba anisan'izany ihany koa ny tena izay azo lazaina fa monina 20km monja tsy lavitra ny seranana iraisampirenena Ivato. Ny fitantarana izany tsy fahatongavana teny izany indrindra no anoratana etoana.


Niaraha-niaina teto nandritra ny herinandro ny adim-pampitam-baovao teo amin'ny avy ao amin'ny fitondrana sy ny ankolafy hafa, izay avy amin'ny mpanohana an-dRavalomanana Marc indrindra indrindra. Ny avy amin'ny fitondrana dia nanesika hatrany fa tsy ho avy eto an-tanindrazana izany izy fa manao vono-vorona fotsiny. Nisy ny fitenenan'ny sasany hoe tongava raha lehilahy satria manko noheverina fa tsy ho sahy hody tokoa ny lehilahy. Narangaranga tetsy andanin'izany fa tsy fotoana tokony hahatongavany eto an-tanindrazana indray izao fa raha midrikina io olona io dia efa miandry azy ny fisamborana sy ny fonja. Niverimberina tamin'ny haino aman-jery maro samihafa fa rehefa natao ny fanadihadiana dia tsy ho avy eto an-tanindrazana izany Ravalomanana fa lainga aparitaka fotsiny izany hanakorontanana ny saim-bahoaka. 


Nisy ihany koa ny fitenenana lazaina fa hiaraka amina mpikarama an'ady ny filoha rehefa ho tonga eto. Io teny mpikarama an'ady io hatrany no teny entina handrangitana ny foloalindahy ary efa nahomby tamin'ny fotoan'androny hampivadika azy tamin'ny filoha. Tonga amin'izay ny fanambarana fa fahavalo izay rehetra mampiditra mpikarama an'ady eto ary fahavalo ihany koa izay rehetra miara-mihosina (sy miray foto-kevitra) amin'izany olona mitondra mpikarama an'ady avy any ivelany izany. Izany hoe azo tifirina avy hatrany tsy misy alaharo alaharo izay rehetra tonga amin'ny fitsenana raha hita tokoa izany mpikarama an'ady izany. Marihina etoana fa io teny hoe "fahavalo" io no teny nampiasain'ny mpanjanatany frantsay nentiny nandripahana ny Menalamba tamin'ny 1895-1897 sy ireo nitolona tamin'ny 1947. 


Maro isan-karazany ny fampihorohorona natao hampihemotra ny besinimaro toy ny fitenenana fa raha tonga moa izy dia hosamborina, raha tsy tonga kosa dia izay nilaza vaovao tsy marina rehetra milaza ny fahatongavany no hosamborina... izany hoe tsy maintsy hisy hatrany ny fisamborana... fa tsy nampihemotra ny mpanohana an-dRavalomanana sy ny mpiara-dia aminy tsy ho tonga teny an-toerana ireny fampisavorovoroana ny saim-bahoaka naverimberina ireny. Rehefa hitan'ny sasany fa handamoka ihany ny fanakanana ny mpanohana tsy ho tonga eny dia ny fanakanana ny olo-tsotra hafa liana hijery ny zava-misy indray no natao. 


Nanomboka ny zoma alina izany toy ny famerimberenana an-tsoratra tao amin'ny televiziona VIVA fa misy andian'olona voakarama hanao fanakorontanana eny Ivato ka iangaviana ny olo-tsotra indrindra ny besinimaro tsy ho tonga eny amin'io Asabotsy io. Mandritra ny horonan-tsarimihetsika ary naharitra fotoana lava dia lava no namerimberenana izany filazana izany. Tamin'io zoma alina io ihany koa dia nambarana tompon'andraikitra filaminana iray fa tsy misy fiara fitaterana mahazo mizotra mankeny Ivato fa ny zotra mpankeny ihany no mahazo alalana ho amin'izany, izany hoe tsy azon'ny fiara hafa ny manao "spécial" mankeny Ivato, na dia fotoana manokana aza io, fa lazainy hosamborina mihitsy izay mbola minia mandika izany toe-javatra izany. Paika izany hahavitsy ny olona tonga eny ary hahasahirana ireo mbola mikiry ny hitsena hatrany ny filoha Ravalomanana na dia rarana sy ampitahorina aza. Hita tokoa fa sahirana ny olo-tsotra tsy manana fiara vao tafiditra tamin'ireny fiara ireny ary nisy aza ireo voatery nandeha an-tongotra lavidavitra mba hamonjy ny namana mpiara-mitolona. Tsy mba nanana izany fikirizana sy fitozoana izany kosa ny tena tamin'io andro io na dia ny hitopy maso ny zavamisy fotsiny aza na dia lazaina fa miandry ny tena ny asa aman-draharaha sy ny adidy aman'andraikitra samihafa.


Raha akapoka ho iray ireo toe-javatra nitranga rehetra ireo, nisy ny fanakanana avy amin'ny fitondrana tsy hahafahan'ny filoha Ravalomanana hiditra eto an-tanindrazana, izay azo lazaina ihany koa fa lalana iray tsy maintsy nataony, ary azo lazaina ihany koa fa manana ny antony ho azy izy ny nanaovany izany fihetsika izany ary ny navoitrany moa dia noho ny resaka fiarovana sy fandriampahalemana. Dia azo tarafina ihany koa fa misy antony hafa indray ny fanakanana ny "olona hitsena" amin'ny fomba rehetra tsy handingana ny seranana iraisampirenena Ivato. Somary mampihomehy ihany io toe-javatra iray io satria raha nahazo nijorojoro sy nipetrapetraka ao anatin'io faritra io ny mpitsena rehetra taloha dia voarara kosa izany tamin'ny andron'ny Asabotsy 19 feboary 2011. Toe-javatra tsy dia fahita firy satria nanjary nametraka indray ny fisian'olona mahazo miditra toerana azon'ny besinimaro ifamezivezena ary misy kosa olona sakanana tsy avela hanatontosa ny fitsenana olona ao anatin'izany faritra tsy tokony ho voarara hifamezivezena izany.


Raha jerena izany dia samy mahafantatra ny andaniny sy ny ankilany fa hafa mihitsy ny tanjona sy ny kendrena tamin'ity fihetsiketsehana tamin'ny endriny hafa ity. Noho izany tsy ny fahatongavana na tsy fahatongavan'ny filoha Ravalomanana no tena iompanana sy ifotoran'ny resaka sy ny tolona fa ny fampisehoana ny hamaroan'ny olona tonga teny amin'io toerana iray io. Na dia nampitain'ny haino aman-jery iray sy ny mpitarika ny ankolafy Ravalomanana aza fa tsy nanenenan'ny olona tonga teny velively na dia tsy tonga aza ny olona notsenaina dia sarotra ny handray ny fandresen-dahatra tahaka izany raha tsy ny tena mihitsy no niaina sy nahatsapa fanenenana tsy mba tonga tany amin'io toerana io. Tsy mba niaina loatra ilay fahasahiranana voatantara teo ny tena. 


Tsy mba niaina ilay nandray fiara hatreo amin'ny Vatobe (na Ny Havana) mbola mitody mankeny amin'ny Vassacos Antanimena aloha vao mizotra mankeny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, ny dikan'izany dia mbola nandoa saran-dalana mankany Antanimena aloha ny olona vao mandoa ny sarandalana mizotra ho any Ivato amin'izay. Tsikaritra ihany koa fa somary niova lalana kely ny maromaro tamin'ny fiara mpankeny ka nijanona teny amin'ny Horizon Ivato izay tsy mandalo eny amin'ny lalana mivily mankeny amin'ny seranam-piaramanidina fa voatery mandeha an-tongotra eo ho eo amin'ny iray kilaometatra eo indray vao mahazo ny lalam-pitsenana izay lala-mahazatra ny besinimaro tao ho ao.


Eo ankilan'izay ihany koa anefa dia tsy mba niainana ny ambiansy nifanaovan'ny mpanotrona rehetra tamin'io fotoana io. Izay ambiansy izay no tena banga tamiko (ankoatra ny tsy fakana sary izay ankafiziko ihany koa). Tsy niainana ilay miara-mihira hiram-pivavahana nifanaovana ankoatra ny hiram-pitiavan-tanindrazana mahazatra. Tsy mba niainana ilay fifankahitana amin'ny mitovy firehan-kevitra avy amin'ny faritra samihafa avy eto Madagasikara. Mety tsy azonao angamba izay lazaiko sy ny lanjany fa hevero fotsiny ho tahaka ny mijery ny lalao ankafizinao iray ianao (baolina fandaka ohatra na basket-ball) dia maro dia maro ny mpijery dia mety ho tsapanao izay lazaiko. Fa raha mbola tsy azonao ihany ny tiako hahatongavana dia akory atao fa mety ho samihafa mihitsy ny zava-manintona antsika amina fotoana iray. Dia izay indray aloha fa amin'ny manaraka manao misimisy.


Jentilisa, 20 janoary amin'ny 7 ora 45 minitra maraina.  

Fihaonan'ny Bilaogera zoma 28 janoary 2011

2011-01-27 @ 17:07 in Ankapobeny

Hotontosaina eto Antananarivo ao amin'ny HdO ao amin'ny Le Bus Antanimena ny Antananarivo mibilaogy 7 izay hihaonan'ny Bilaogera - mpitoraka bilaogy - mpamaham-bolongana eto Antananarivo sy ny manodidina azy. Manomboka amin'ny fito hariva io fihaonana zoma 28 janoary 2011 io ka avy eo dia ho hita ny ho tohin'ny fihaonana izay raha ny farany teo no tarafina dia karaoke sasakalina tetsy amin'ny Hotel St-Laurent Ambodifilao no niafarany. Ny toerana dia eo akaikin'ny imprimerie Niag tsy lavitra loatra ny Magro Behoririka. Raha liana ianao dia tongava... fihaonana tsotsotra io, asaina ho tonga ao avokoa ny avy amin'ny lafivalo sy ny avy amin'ny firehan-kevitra samihafa.


Tsy ny hifandramatra no hahatongavana eo fa ny hialana voly sy hifankafantarana, ary ho fiarahabana nahatratra ny taona 2011 ihany koa. Koa raha efa mba nandalo teo amin'ny fiainanao ihany izany famahanam-bolongana - fitorahana bilaogy izany dia tongava re raha azo atao. Azonao atao ny mitondra solosaina finday fa maimaipoana, hono, ny fiseraserana ao. Ny fandraisana anjara moa amin'ny ankapobeny dia samy miantoka ny tenany ao na dia misy ihany aza ny fifanampiana madinidinika. Tongava re! tongava re!


Jentilisa 27 janoary 2011
 
PS: ny famantarana amin'ny twitter amin'io fotoana io dia #antambl 

Sary azoko fitokanana roa sosona Asabotsy 11 desambra 2010

2010-12-12 @ 12:20 in Ankapobeny

 
Sarin'ny Lapan'ny Tanàna nandritra ny fitokanana azy
 
 
Ny sarin'ny Lapan'ny tanàna teo aloha naranty teny Analakely kosa 
 
 
Tsy dia lazalazaina kosa fa ny fijoroan'ny repoblika fahaefatra no tena anton'ny fety. 
  (tohiny)

Sombin-tantaran'ny Lapan'ny tanàna sy sombin-tantaran'i Madagasikara

2010-12-09 @ 23:28 in Ankapobeny

Tsy hoe manampahaizana momba ny tantaran'ny Lapan'ny Tanàna Analakely ny tena fa mba manan-kozaraina ho antsika rehetra ihany. Miala tsiny fa voasoratra ao amin'ny kaonty Facebook-ko ao ilay izy ka tsindrio ny rohy fa mety hahaliana anao ihany izay voasoratra ary maniry ihany koa ny fifandrimbonantsika hifampitantara izay fantatsika ho fanabeazam-boho ny fahalalana ny sombin-tantaran'i Madagasikara.

 

Jentilisa 10 decembre 2010 amin'ny 01:36

wikileaks nandiso fanantenana ahy sy tsiambaratelo hozaraiko

2010-12-08 @ 11:50 in Ankapobeny

Asa ianareo raha toa ahy fa mba liana tamin'ny fandehan'ilay "fanafintohinana momba ny telegrama" [scandale des notes diplomatiques] ny tena hoe inona izao tsiambaratelo tazonina mafy izao sy ny zavatra ifampitan'ny masoivoho Amerikana mielipatrana manerantany amin'ny sekretariam-panjakana amerikana izao saingy diso fanantenana tanteraka aho rehefa nijery ny vohikalan'ny [fitaratr'i] wikileaks'. Mazava loatra fa niandry sy nikaroka izay resaka momba an'i Madagasikara nifampitana tao ny tena saingy tsy maharaka ny resaka rindrambaiko loatra ny tena fa tsy tsy mahita na inona na inona sady tsy mahalala akory hoe ahoana ny fitady ilay na ireo telegrama mifandraika amin'i Madagasikara izany? Dia niharihary teo ny havendranana amin'ny resaka solosaina... na izany aza dia misy ihany ny namana nahazo sombim-baovao ka namoaka azy io ary izy irery no fantatro hatreto amin'ny fampitam-baovaon'olo-tsotra nanana hozaraina amintsika mpamaky.


Dia mba namaky izay tao aho ka hitan'ny maro aho dia mbola nihomehin'ny fahadisoam-panantenako hatrany. Dia toa ny hitantsika amin'itony aterineto itony ihany no nivoaka sy hita tao fa tsy misy ilay zavatra tsy fantatsika mpamaky ka hanazava bebe kokoa ny zavanitranga teto amintsika hatramin'izay. Dia hoy aho hoe mety ho misy ihany angamba ny vaovao any fa noho ny tsy fahaizana dia tsy azo ireny sombim-baovao ireny fa izay nahazo azy kosa tsy hamoaka azy fa hanohintohina ny politikany na hita ihany ny mahaolona ny Amerikana fa toa mora fitahina amin'ny alalan'ny mpitsikilony ihany, ny mpitsikilony izay mety hisy Malagasy ka manana ny safidy politikany momba ny toe-draharaha eto Madagasikara. Dia hoy aho hoe mahatsapa zavatra aho ka tiako hamarinina amin'ny telegraman'izy ireo izany na mitombina na tsy mitombina dia izao manaraka izao:
 (tohiny)

Fiarovana faratampony

2010-11-25 @ 12:18 in Ankapobeny

Kisendrasendra avokoa izay tantaraiko eto noho ny asa fivezivezena izay natao. Ny tapakandro marainan'ny 25 novambra 2010 avokoa izy ireto. Ny maraina tokony ho tamin'ny fito ora sy sasany tany ho any dia efa miatrana avokoa indray ireo mpitandro ny filaminana miambina amin'ny lalana fandalovan'ny filohan'ny FAT miala avy any an-tranony mankany amin'ny birao fiasany. Reko ny iray tamin'izy ireo nanao hoe:" Kôzy raha handalo eo leiry le!"... efa tsy ora fandalovany intsony ve matoa miteny izany izy?

Avy eo nifanena tamina soavalivy maromaro sy fiaran'ny FIS anankiray mety hitsena ny olona arovany na hamonjy ny tokantranony angamba. Izay zatra ny fanaony eto Antananarivo dia hahalala fa tsy mahazaka tery anaty fitohanana izany izy ireny na tsy misy olona arovany sy arahiny aza fa tsy maintsy manavatsava ny rehetra sy mampaneno anjombona hatrany. Miaiky aho fa henjana koa ry zalahy ireto raha handeha mafy.


Tamin'ny valo ora latsaka, kamiao iray feno mitandro filaminana ary fitaovam-piadiana no mandeha amin'ny lalana mifanohitra amin'ny zotran'ny fiara rehetra miakatra hatreo amin'ny carrefour mankany Ankatso na Antanimora na Ambanidia na Antsakaviro iny miakatra mivantana mankany Ampasanisadoda na Antsahabe na Mascote fa tsy miodina mandalo ny Medecine araka ny fahafantaran'ny besinimaro azy. Tena hamehana angamba matoa izay sens unique izay no nidirana. Azy tokoa moa ny tany sy ny lalàna ka inona no holazaina?


Mandingana avy hatrany aho, amin'ny sivy sy sasany maraina, fiara tsy mataho-dalana ana-jeneraly kintana telo iray no misosososo sy mandrehitra ny jirony rehetra amin'iny vahilava mankany Ivato iny. Fa dia misy inona loatra hoy aho anankampo no dia maika dia maika tahaka izany? Hay mpitari-dalana fotsiny ihany iny ka maika hikarakara ny fanomanana rehetra. Teo amin'ny tobin-dasantsy Total amin'iny Vahilava iny ihany no nahitako 4X4 feno mpitandro filaminana arifomba fitaovam-piadiana. Somary gaga ny tena. Misy zavatra ve any ho any? Hay mametraka mpiambina manerana ny lalana ry zalahy hisahana ny fiarovana ary fantatra avy hatrany fa hivoaka na handray voromby indray ny filohan'ny FAT raha izao fandehany izao.


Inona tokoa, misy soavalivy sy fiaran'ny FIS mijanona eo amin'ny kihondalana avy any Andohatapenaka hivoaka ny vahilava ary indray koa mpitandro ny filaminana vitsivitsy mitambasy mifanaretsaka manodidina. Fiaran'ny polisy 2 indray no eo amin'ny kihondalana avy any 67ha avaratra andrefana hivily ho any Andohatapenaka. Ny mpitandro ny filaminana moa dia isaky ny kihondalana sy sampanandalana dia misy iray farafahakeliny. Fiara tsy matahodalana fantatra fa an'ny prezidansa roa indray no miatrana avy any amin'ny boulevard de l'Europe na lalambaovao hoy ny olona hivily mankany 67ha avaratra andrefana. Maromaro tokoa ny mpitandro ny filaminana mitam-basy amin'izany rehetra izany.


Mandritra izany fotoana izany dia hay tsy misy fiara na môtô mahazo mijanona amin'ny sisindalana na lalan'ny mpandeha an-tongotra amin'ny lalana rehetra mety handalovan'ny filohan'ny FAT tamin'ity andro ity. Noterena hivily lalana avokoa na fiara na soavalivy rehetra fandrao angamba hibahana tampoka ny lalana alehany. Rehefa nandalo moa ny filohan'ny FAT tokony ho tamin'ny folo ora sy sasany mahery teo dia soavalivy roa sy fiara tsy matahodalana telo no miaraka amin'ny fiara mpitondra azy. Izany hoe tsy nisy mihitsy fiara na môtô nahazo nandeha na mijanona amin'ny lalana nalehany ho fiarovana azy.
 
 
Tsy nahazatra ahy indray izay lafiny fiarovana izay ka nahatonga ahy hanoratra eto sady mieritreritra ihany fa tsy nivaha hatreo akory ny olana na dia nandresy aza ny ENY ary na resy tosika aza ny "mpioko" tao amin'ny BANI. Toa mametraka aza izany fa angamba nihahenjana ny toe-draharaha any ambadika any raha niova ho tahaka izao ny fiarovana ny filohan'ny FAT.



Jentilisa 25 novambra 2010 amin'ny 14: 18


Ho lasa tany Silamo ranoiray i Eoropa (atsimo)?

2010-09-12 @ 23:25 in Ankapobeny

Somary nivadika taranja vetivety aho eto hilaza na hitatitra izay notaterina tamiko ary tsy miresaka manokana momba an'i Madagasikara. Mahavariana ny fitantarana, tsy ilay zavatra tantaraina loatra no tena nanintona ahy fa zavatra tiako asongadina. Voalohany dia hoe hanomboka amin'ny 29 oktobra 2010 ny ady lehibe fahatelo ifanaovan'ny Tandrefana sy ny Firenena Silamo maro, tsy nilaza izay tena vokany izy fa dia ady hafa dia hafa tokoa izy io izay hifarana amin'ny 2014... Ho lao tanteraka i Eoropa manontolo noho ny ady nokleary...dia ny fivavahana ISlamo no fivavahana hanjaka tokana amin'ny firenena Eoropeana. Izaho amin'izao fotsiny dia mahita fa mety ho tontosa izany tranga izany satria mihabetsaka ny Silamo any amin'iny faritra eoropeana iny ary manana tanjaka sy mametraka ny horohorony mihitsy. Tsy mijery azy amin'ny lafiny hoe filazana ny ho avy aho eto fa mijery araka ny zavamisy amin'ny fanjakazakan'ny "tavaratra" araka ny fitantaran'izay te-hitantara azy amiko fotsiny ihany. Ho rotiky ny ady tanteraka anefa ny ila-bolantany avaratra (tahaka ny mametraka fa tsy dia iharany loatra kosa ny ila-bolantany atsimo)

Tsy dia voambara firy fa tahaka ny nahatohitra ny fanafihana ihany ny Amerikana...saingy tsy nisy filazana moa ny amin'izany, dia nihomehy irery aho namaky azy ka nanao hoe izay lehiretsy vao hidodododo hody an-tanindrazana avokoa ny Malagasy mpila ravinahitra any amin'ny ilabolantany avaratra rehetra any... Fa inona loatra no nahatonga ahy hanoratra ity lahatsoratra ity? Raha misy tohiny manahirana sy mitohy ny fifandranitana momba ny fandoroana ny boky silamo Qu'ran any Etazonia io dia mety hitranga tokoa izany ady lehibe fahatelo izany. Fa ny tohiny aloha somary mahafinaritra ho antsika ihany koa e: ny firenena nandevozina indray no hanandevo ireo nanandevo azy... Asa fa re aloha fa votsotra tsy azon'i Madagasikara ny Plateau Continental eo atsimon'ny Nosy sady mitady hitovy habe aminy, soa ihany fa tsy lasan'ny firenena hafa ihany koa aloha fa dia mbola lasa faritra iraisam-pirenena. Miandry 20 taona indray isika hiadiana ny hahazoana azy, tsy niady ho amin'io manko ny fitondrana malagasy misy ankehitriny no tena nahavotsotra azy. Dia indro ilay lahatsary nahavariana ahy, izay amin'ny teny anglisy fa mety ho mora azontsika rehetra.
 
 

Mety ho nahita momba azy ity angamba ny Mpitarika Lybiana Mouammar El Khaddaffi no mampirehaka azy hoe ho Faritra Silamo i Eoropa ary ny lohany amin'izany dia i Roma...  
 
jentilisa, 13 septambra 2010 amin'ny 01:25

Aoka hazava fa azo trandrahina ny bolabola

2010-08-23 @ 22:44 in Ankapobeny

Mety hanaitra anao mpamaky izany teniko izany saingy izay no marina. Resaka bolabola na andramena na ilay antsointsika voazanaka ara-tsaina hoe "bois de rose" indrindra no resahiko ary tsy lainga izany... saingy ny olana dia tsy voafehy ilay fitrandrahana azy, izay noferana soa amantsara tany aloha tany (porofo indrindra ny fisian'ny fanondranana hatry ny ela), fa maika ny hahazo vola loatra ny sasany ka lasa nanapotika vetivety ny tontolo iainana ka izay no tsy mampanara-dalàna ilay fitrandrahana tafahoatra. Tsy te-hanoratra lava intsony aho satria somary lava ihany ilay ato amin'ny rohy ato [teny malagasy] saingy nahaliana dia nahaliana ka tiako zaraina aminareo. Tiako sy faniriako indrindra raha mamoaka ny hevitrareo ao ianareo na dia mety tsy itovizana aza ny hevitra. Ho an'izay mahay teny vahiny ka mampitaha azy amin'ny teny malagasy ato...faniriako ihany koa raha milaza ny tokony ahitsy ianareo eo amin'ny famoahan-kevitra ao. Azamanahy raha tsy mivoaka eo noho eo ny hevitrao fa hipoitra ho azy eo ihany izy rehefa mandalo izahay mamoaka ny hevitrao. Tsy sanatria fanakanana ny hevitrao no antony fa ialàna amin'izay mety ho ompa na teny ratsy ihany.

Raha mahaliana anao ny hamaky azy amin'ny teny frantsay dia [jereo ato], ary raha amin'ny teny anglisy mihitsy aza dia [ato indray vakiana]. Ireo miloko manga ireo tsindriana raha tsy azonao ny tiako lazaina ary mirary mandrakariva raha mamoaka ny hevitrareo ianareo na karazana fankasitrahana kely fotsiny ihany aza vao maika mahafaly anay sy mandrisika anay hanome vaovao ho anareo.


Jentilisa 24 aogositra 2010 amin'ny 00:45

Gadraiko ingahy!

2010-08-11 @ 21:33 in Ankapobeny

Ity misy lahatsary iray vao azoko dia zaraiko aminareo ihany koa! fireharehana Frantsay iray manoloana mpanao gazety Afrikana iray (Togoley). Tsy fantatr'ingahy angaha aho?... gadraiko ingahy! anisan'ny tenin'ilay cooperant Frantsay izany. Misy toy izao ny teniny ato amin'ity lahatsary ity: « Tu sais qui je suis ? Je suis le conseiller du chef d'état-major de l'armée de terre. Tu veux que j'appelle le RCGP [Régiment des commandos de la garde présidentielle, ndlr] pour foutre un peu d'ordre là-dedans ? Alors, je demande d'enlever les photos. Est-ce que c'est compliqué ? »

 
 
Ny hany faniriana dia izao; tsy hisy zavatra hitranga tahaka izao anie eto Madagasikara. 

Taratasy misokatra Atoa Tale

2010-06-26 @ 05:13 in Ankapobeny

Miarahaba ny rehetra nahatratra ny fitsingerenan'ny niverenan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara indray, ary ankoatra izay dia ny faha-50 taonany mihitsy no atrehina. Na inona na inona mitranga sy mihatra tsy maintsy mahatsiaro ny tanindrazako mandrakariva aho sy mirary soa ny mpiray tanindrazana amiko na mitovy hevitra amiko izy ireo na mifanohi-kevitra amiko. Samy tompon'ity Madagasikara ity ary samy manana andraikitra sy adidy aminy ihany koa raha mbola mahatsiaro ho olona mizaka ny zom-pirenena entiny. Ny eo amin'ny itondrana azy no mampisara-tsaina fa anjaran'ny tsirairay no mandresy lahatra ny hafa raha mbola azo atao ihany koa izany mifandresy lahatra tsy asiana herisetra izany fa mahay mifampiresaka kosa. Izay no ela fa hitodika amin'izay votoatin'ny tiako hosoratana amin'izay aho.

Tsorina aminareo mpamaky rehetra fa efa ela no nangidihidy ny tanako hanoratra ity taratasy iray ity fa noho ny saina miady dia miady dia feno fisalasalana tanteraka aho. Vokany anefa dia lasa tsy mahavita zavatra hafa mihitsy aho, ka anisan'izany ny fandikana vaovao hitanao ao amin'ny Global Voices Online ho amin'ny teny malagasy. Manitsy ny an'ny hafa sy mamoaka izany fotsiny hatreto no vitako. Ankoatra izay dia hitanareo fa lasa mahalana ihany koa aho tao ho ao vao mahatafavoaka lahatsoratra hovakianareo. Ny tena manakana ahy tsy te-hamoaka izay hosoratako etoana dia ny nametrahako hatramin'ny voalohany tao anatiko tao fa tsy hiresaka na inona na inona amin'ny asa fanaoko andavanandro ho hitanareo eto amin'ny bolongana mihitsy aho ary tsy te-hanohintohina velively ny orinasa izay iasako (raha misy ianareo mahalala izany orinasa iasako eto Madagasikara izany dia miangavy mba tsy hiteny izany eto na hitantara any an-kafa satria tsy te-hanala baraka azy velively no ataoko eto fa ny hilaza ny alaheloko ihany, efa nesoriko aza moa ny momba ilay asako sy ny orinasa iasako ao amin'ny facebook sao misy misavasava any ianareo tpt). Tratran'ny tsy azo anoharana aho amin'izao fotoana izao: hijanona tsy hanoratra intsony ve ho sandan'ny fahanginana sa hizaka kosa izay fiantraikan'ny soratra izay anisan'ny maha-izaho ahy sy itondrako ny anarana hoe Jentilisa? Dia indro aho hanoratra ilay saika taratasy misokatra...


Andriamatoa Tale,

Miarahaba anao amin'ny alalan'ity taratasy eto ity aho Andriamatoa tale amin'izao fetim-pirenenay izao satria raha ny marina tsy tiako ho hitanao ilay taratasy fa tiako ho ahy samirery, navoakako teto ihany anefa ilay izy hahafantaran'ny olon-kafa fa nanana adin-tsaina maro dia maro aho ka ny iray ihany no tantaraiko etoana. Nataoko amin'ny teny malagasy ihany koa ilay izy na dia fantatro aza fa tsy mahay izany tenin-drazanay izany ianao sady tsy te-hianatra izany mihitsy satria tsy tiako ho azonao izay ambarako ary faniriako ihany koa ny tsy handikan'ny hafa sy ny tsy hitateran'ny hafa izay soratako etoana ho anao anefa. Izay angamba ilay hambom-po ato amiko izay mifandraindraika amin'ny teny hoe hambom-pom-pirenena izay dradradradraina ankehitriny. Izany eo ihany fa tsy dia voafehiko loatra ny teny frantsay ka manjary lany fotoana aho hieritreritra izay rehetra tokony hosoratana rehetra.


Tsy izany manko Andriamatoa tale fa maro dia maro ny mpiara-miasa no naniry mba tsy hiasa amin'ity andron'ny 26 jona 2010 ity, ary efa nisy aza, hono, ny solontenan'ny mpiasa no nihaona taminao nanao izany fangatahana izany saingy indrisy moa nolavinao izany. Niteraka alahelo tamin'ny maro izany, tsorina aminao, satria taloha manko na niasa aza izahay andro tahaka izao dia nanana fifaliana ihany rehefa misy ny fizarana vorona na zavatra hafa ho entina any amin'ny fianakaviana. Tamin'ity indray mitoraka ity anefa dia tsy nisy mihitsy na dia iray aza mari-pahatsiarovana ilay fety. Izaho manokana aloha tsoriko aminao fa faly amin'izany toe-javatra izany aho na mety hahatezitra ny mpiara-miasa aza izany filazako izany. Nahoana? teneniko fotsiny ireo mpiara-miasa ka mifampiresaka amiko hoe porofo izao fa tsy mahaleo tena izany i Madagasikara ary misy ny mpandraharaha vahiny tsy mahalala izany fiandrianan'i Madagasikara izany. 


Ekeko tokoa fa efa fahazarana ato amin'ny orinasa ny miasa hatrany na dia andro fety aza saingy mba hitan'ny maro ihany fa maro ny tompon'andraikitra ambony no tsy mandia ny faritry ny orinasa amin'ireny andro tsy fiasan'ny ankamaroan'ny olona ireny. Raha mba miasa avokoa anie ny ambaratonga rehetra mety ho tsy dia maninona loatra fa raha maro ianareo any ambony any no tsy hita miasa andro fety manjary mampieritreritra anay hoe dia efa tena fanandevozana kosa raha izany. Maromaro ihany ny ato amin'ny orinasa no tsy miasa ny alahady fa ny tenako kosa dia anatin'ilay miasa na dia alahady aza... Vokany ho anay, izahay ilay tsy mba hita mihitsy rehefa misy ny fivoriam-pianakaviana na fihaonan'ny mpianakavy eny fa na dia amin'ireny fitsangatsaganana fanaon'ny besinimaro alatsinain'ny Paska na alatsinain'ny Pentekostra ireny aza. Tsy fantatry ny fianakaviana intsony izahay rehefa fety sy fotoan-dehibe. Toy ny hoe tsy misy izany ankohonana sy fianakaviana izany ho anay...


Fa dia aiza loatra ny fototry ny alahelo satria efa niasa hatrany ny andro fety ka izao vao tsy zaka izany? Moa va mba fantatrao Andriamatoa tale fa efa malaza loatra ilay tsaho hoe ampiasaina indray izahay ny krismasy sy ny taombaovao izay hany fety tsy niasanay tao anatin'ny telo taona izao raha niasana hatrany izany taloha? Raha naka toky hoe ireo solontena hoe miasa sa tsy miasa amin'ireo fotoana ireo dia nolazaina fa mbola ho ela izany fa ho hita eo ihany... vao maika nampitombina ny ahiahin'ny mpiasa hoe tena ho ampiasaina izany. Izao ka heno indray fa misy izany teny midina izany fa raha tsy misy mihitsy ny taratasy avy amin'ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny asantsika na didy hitsivolana avy amin'ny governemanta hoe tsy azo atao ny miasa na misokatra amin'ny andro voatondro dia misokatra sy miasa hatrany... Na ny Shinoa malaza ho mpanalika ny mpiasany aza toa tsy sahy manao ny mpiasany tahaka izany saingy fantatro avy hatrany ny valiny hoe mandehana miasa any amin'ny Shinoa.


Izao tokoa angaha ny tambin'ny fananana ny asa hatramin'izao, tsy anisan'ireo nesorina na nanala tena nandritra ireny krizy ireny. Na izany aza Andriamatoa tale dia manoratra ihany aho hoe mba hajao, tompoko, ny zo fototra mahaolona fa mba manana ankohonana toa anareo ihany koa ary manana zo hiara-paly amin'ny ankohonana sy ny fianakaviana ary hatramin'ny firenena ihany koa aza izahay. Tsy maninona raha lazaina fa tsy manana ilay hambom-pom-pirenena izahay ary tsy manana ilay fitiavan-tanindrazana matoa tsy mahasahy manohitra imaso anao amin'izao fampiasana anay amin'ity fankalazana ny faha-50 taona ny fiverenan'ny fahaleovantena izao satria na izahay samy izahay aza tsy mety miray hina ka misy ny sasany mitati-bolana tamin'ny dingana nataon'ny delege hafa izay voasoketa ho manala baraka ny orinasa. Tsy fantatro intsony moa na ny orinasa no manala-bara-tena amin'ny zavatra ataony na ny delege SASANY no mba te-hiaro sy hanandratra kosa ny zo sy ny hajan'ny mpiasa nefa dia ampihorohoroana indray fa na izany na tsy izany alahelo anaty fety aloha no zakaina amin'izao fotoana izao. Tsy fantatro intsony na feno izay voasoratra izay na mbola misy ny adino fa atsahatro amin'izay aloha.

Raiso, Andriamatoa tale, ny haja ambony atolotro anao.


Jentilisa, Asabotsy 26 jona 2010 amin'ny fito sy folo maraina eto Antananarivo.

Ny volan'i dada

2010-06-15 @ 10:21 in Ankapobeny

Hiresaka zavatra tsy dia mahazatra ny mpandala ny ara-dalàna sy ny mpanaraka ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana loatra aho nefa dia toy ny malaza dia malaza tokoa izy ity any amin'ny fironana hafa sy any amin'ny sehatra hafa any. Amin'izao toe-java-misy eto amin'ny firenena izao manko dia hevitra milentika dia milentika tokoa ho an'ny mpomba ny fitondrana ankehitriny ny hoe manaparitaka vola araka izay tratra i dada (Marc Ravalomanana io) hanakorontanana ny firenena, tsy hampilamina azy sy tsy hahazoan'ny fitondrana fankatoavana iraisam-pirenena.

Malaza any fa voavidim-bola ireto lazaina fa mpandala ny ara-dalàna ireto, mirarakompana ny vola zaraina isan'andro eny amin'ireny fihaonan'ny mpandala ny ara-dalàna ireny matoa izy ireny mazoto dia mazoto. Ao indray ny filazana fa mandray vola na mikarama ireo mpitarika ireo fa dia manaiky hambakainy fotsiny ireo mpitolona tsotra mafana fo. Dia re koa avy eo fa nandray vola tany amin'i dada ireto mpitarika ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana ireto matoa manao izao zavatra ataony mitarika vahoaka "hanakorotam-panjakana" izao. Azo fehezina hoe matoa misy zavatra mitranga izay dia ny vola, ny vola ary ny vola hatrany no hery manetsika ny mpandala ny ara-dalàna, ny Hetsiky ny Mpitondra fivavahana ary izay mety ho hery rehetra manohintohina azy ireo.

Avy aiza moa no nampalaza izany resaka izany? Lalana iray na roa mifampitohy ihany no fantsona manapariaka ny filazana fa mpanaparitaka vola hanakorontanana ny firenena tsy mampitobina azy hatramin'izao i dada. Voalohany amin'izany ny fampahalalam-baovao ambava sy an-tsoratra ary an-taratasy ary ny faharoa manaraka izany izay somary an-takonana ihany dia ny fiangonana. 

Misy fampahalalam-baovao vitsivitsy tsy menatra mihitsy ny mandainga sy mamorom-baovao ho fanasoketana fotsiny sy ho fanaratsiana olona mba ho toy ny tena fahavalo izay haratsian'izy ireo ary hanana fankahalana izany olona na sokajin'olona na vondron'olona izany ireo mora rebirebena ao amin'ny mpanohana azy. Ny Malagasy rahateo mora mirona amin'ny fo ka tena angadin'ireo manana talenta amin'ny fanaovan-gazety ny manararaotra hanome fo ny olona fa tsy ny hampiasa saina azy velively. Ohatra farany mety ho hitanareo ihany ny filazan'ny gazety iray fa noho ny baiko nataon'ilay mpitandrina izay any amponja fa nosamborina nandritra iny any raharahan'ny FIGN tamin'ny 20 mey iny no nitorahan'ny sasany ny biraony... henon'ny iray amin'ny mpanao gazetiny mihitsy hoe ny baiko nataony tamin'ny finday. Izany dia tena tsy misy henatra mihitsy ary mampihevitra ny mpitandrina ho jiolahim-boto mpanimba fananana. Ry zareo tokoa moa no mifehy ny fampitam-baovao ka dia izay tiany atao ihany io saingy mbola hampahatsiarovana azy ireo ihany izany amin'ny androny. Lahatsoratra eo akaiky eo indray ny fahagagany fa misy ny gazety zaraina maimai-poana nefa dia tsy misy dokambarotra ihany koa ao anatiny ao eny amin'ny fivarotam-boky eny dia misy fehezanteny tsipalotra moa milaza fa "tsy mbola lany ny volan'i dada" matoa misy izany, avy eo moa dia mandokandoka ny mpamaky azy izy izay mpamaky mpisaina sy mpandalina moa araka ny filazany ary matoky azy ireo mahasahy mividy lafo ny gazetiny. Rehefa hitako ilay gazety dia tena feno dokambarotra tokoa, ary io no tena fampidiram-bolany. Heveriko rehefa nojerena ny mombamomba azy dia an'ny vondrona Andriatsitohaina (manana ny gazety taratra sy les nouvelles) ilay gazety nolazainy ary miezaka ny tsy hitongilana mihitsy izy fa na ny an'ny mpanohana na ny an'ny mpanohitra dia ambarany soa aman-tsara, eny fa na dia mety hanohintohina ny hafa na ny tombotsoany aza. Fampironana ny olona hisaina moa ireny sorany ireny hanambarany fa tena manambola tsy lany laniana sady nangalariny tamin'ny kitapom-bolam-panjakana rahateo izao dada izao. Tsaroako anefa fa tsy nisy famoahana hoe nisy fanadihadiana ka nisy fahabangana izao volampanjakana dradraodradraina ho nagalarina izao. Ny hita moa izao dia ny halatra bolabola andramena mampalaza ratsy an'i Madagasikara maneratany izao.

Tranga iray nahitako ny hantsana lalina misy eo amin'ny fiaraha-monina saingy tsy nivandravandra izay ny tamin'ny 29 marsa 2010 lasa teo. Tsaroantsika tsara angamba fa nanao fihetsiketseham-panoherana teo anoloan'ny tsangambaton'ny mahery fo teny Ambohijatovo ny mpandala ny ara-dalàna tamin'io andro io. Mba hanatrika ny fotoana koa izy ireo hampiseho ny fisiany izay toa notsinotsinoavina. Tonga ireto mpanohana azy dia ireo mpiambina ny afovoan-tanàna ka mahazo alalana matory sy milalao eny amin'ny zaridaina nahafinaritra teo aloha fa nosimbainy tanteraka ary voatery nofefena mihitsy aza sy mahazo alalana hatory eny rehetra eny sy hangatangataka amin'ny vahiny ary manao maloto eny amin'izay tiany hanaovana azy dia hifanandrina amin'ireto hanambara ny fisiany ireto. Vao nikasintanana sy nanositosika dia namaly bontana avy hatrany ny mpandala ny ara-dalàna, raikitra ny sakoroka satria nihevitra ho nanana ny hery manko izy ireo fa tsy voakitikitika hatramin'izay, voatery nitsoa-pahana mihitsy ireo nila sotasota ka naka ny ilany atsinanan'ny kianjan'ny maritiora 1947 avy eo. Ny fahatongavan'ny mpitandro ny filaminana no nampilamina azy fa raha tsy izany dia asa fotsiny izay nitranga. Avy eo amin'izay dia takoritsika teo amin'ireo hafa tsy miaraka amin'ny mpandala ny ara-dalàna fa tonga teo hanohana ny filohany ny filazana fa misy fizaram-bola mirarakompana ao amin'ireo mpandala ny ara-dalàna ireo, sy ny voakarama izy ireo hanakorontana ny lanonana teo... Mody somary nisisika teny anefatsefan'izy ireny manko aho fa tsy dia mbola be mpahalala loatra moa no naharenesako izany resaka teo amin'ny samy tanora nanatrika teo. Entiko ilazana io tantara io fa mihalalina ny hantsana eo amin'ny fiaraha-monina ary mpifanena fotsiny ny samy Malagasy fa samy misy voam-pakahalana ihany any amin'ny tsirairay any. Dia mbola horanitina hatrany ve izany?

Ny tsikaritro mandray anjara amin'ny famafazana lainga ity ihany koa dia ny fiangonana amin'ny alalan'ny famoahany ireny fanambarana ireny. Samy manana ny fironany ny fiangonana tsirairay, zony izany ary tsy rarana amin'izany izy fa ny tsy lefitro kosa dia ny filazana zavatra tsy mitombina na tsy ananana porofo fa dia toy ny hoe ka efa fantatry ny besinimaro izany dia mba miteny koa izy, tsy mendrika amin'ny maharaiamandreny izy raha manao izany. Zony ny milaza fa nandritra izay 50 taona niverenan'ny fahaleovantena izay dia nisy tokoa ny zavabita dia tanisainy amin'izay izany ka noezahiny tsy notononina izay tena nalaza nandritra ny fito taona farany... zony izany fa tsy azo ekena kosa ny filazana ao anatin'ny fanambarana ny fa misy olona manaparitaka vola hanakorontanana na tsy hisian'ny fandriampahalemana eto amin'ny firenena. Satria ve izany no ambaran'ny gazety mpandainga dia lazaina ihany koa sa eo ampelatanana ny porofon'izany? Maninona raha mba ambara fa samy mpitandro ny filaminana izao ohatra ka samy nandrava ny "fiokoana" tetsy Andrainarivo no misy mandray vola be tokoa ary nomen'ny milaza azy ho mitondra ny firenena amin'izao fotoana izao izany, nefa dia misy tsy re mihitsy izay tambiny azony tamin'ny fandraisany anjara teo. Soa moa fa hain'ireo mpitantana ny tetezamita ireo ny nanambitamby ny hery mitam-piadiana rehetra tamin'ny nanomezana azy ireo 100 000ar tsirairay avy... noho ny fetin'ny reny angamba na tsy azoko loatra fa mpitandro ny filaminana no nilaza izany taminay (satria maromaro izahay no nilazana izany).

Noho izany, tranga miverimberina mila melohina ny famafazana lainga ataon'ny gazety isankarazany sy ny fiangonana sasantsasany ary takiana ihany koa ny hampitsaharana azy mba tsy hanampy trotraka indray ny hantsana efa lalina misy ao amin'ny fiaraha-monina.

jentilisa voalohany jiona 2010

Ny tsoakevitry ny dia tany Santiago de Chile

2010-06-10 @ 10:34 in Ankapobeny

Na raha atao lavalava kokoa ny lohateny dia izay rehetra azo notsoahina tamin'ny fihaonana natrehina tany Santiago de Chile. Raha izay ny lohateny natao tsy midika velively izany fa tsy nisy zavatra azo noraisina tany fa maro tokoa ny nahaliana tany na izany tamin'ny fivoriana na izany ilay toerana na tanàna nanaovana fivoriana mihitsy. Mampivoitra kosa aho ny tsikaritra sy ny zava-dehibe tamiko nandritra izany dia naharitra herinandro izany. Efa nihoatra ny iray volana sahady manko ilay fihaonana nefa tsy mbola azon'ny mpamaky eto akory ny voandalana avy amin'izany. Manararaotra ity tsy fahatomombanan'ny fiseraserana izao ity loatra aho vao tery hampahatsiahy izany vovonan'ny avy eo amin'ny Global Voices Online izany... Tsy maintsy misy tohiny hoe Online ny resaka eto fa zavatra hafa no mivoaka raha vao ny teny roa voalohany ihany no ikarohana rohy sy vaovao. 

Santiago de Chile no anaran'ilay tanàna notsidihina. Maromaro ihany manko ny anara-tanàna antsoina hoe Santiago manerana izao tontolo izao ka dia io no anarana fanonontonon'ny mponina any. Raha tononina araka ny fanonona malagasy moa dia manao hoe Santiagô de Tsìle sady tsy moana ny "e" farany no tsy tononina mafy ihany koa, eo amin'ny "i" ny tsindrim-peo hanononana azy. Toy ny anaty koveta ihany ilay tanàna satria hodidinina tendrombohitra avo dia avo tokoa ny renivohitra. Maro dia maro tokoa ny sekoly tazana ao amin'ity tanàna ity ary misimisy ihany koa ny fiangonana (katolika) saingy vitsy dia vitsy ny mpivavaka hitanay tao amin'ny Katedraly raha nitsidika tao izahay ny alahady maraina. Maro dia maro ny mpianatra tazana rehefa mirava ry zareo, mitady hifanahatahaka ny Lisea na izay mitovy amin'ny Lisea aty amintsika sy ny Oniversite ary ny dingana mialoha ny Anjerimanontolo na Preoniversite ao amin'ity tanàna ity. Rehefa mivezivezy ny afovoan-tanàna ianao dia tahaka ny tanànan'ny mpianatra no tsinjonao hivezivezenao. Ahitana ny sehatry ny fandraharahana isan-karazany anefa ny toerana ary maromaro ihany ny banky sy ny toera-mpanakalozam-bola hitanao. Ny mponina indray amin'ny ankapobeny dia mitovy halava amin'ny malagasy amin'ny ankapobeny mihitsy na ny lahy na ny vavy nefa dia tafita hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka erantany amin'ny baolina fandaka ry zareo.

Ao anatin'ny faritra fakana sary na azo akana sary ny toerana fivezivezenay ka nahafinaritra tokoa ny nandeha taminy. Midadasika tokoa ny arabe, nefa tsy ambakan'izany ny lalan'ny mpandeha an-tongotra. Tsy sarotiny taminay naka sary loatra ny mpitandro ny filaminana na mpiambina sivily mety ho hitanao na haka ny sarin'ny Lapan'ny filoham-pirenena ianao na halaina sary eo ihany koa, na haka sary izay rehetra hitanao any amin'ny tranom-bakoka. Ny olana taminay dia ny tahotra satria efa zatra loatra ny fandrarana maka sarina toerana na trano mahafinaritra izahay ka natahotra tamin'ny voalohany. Asa izay hahazo anao raha hoe eo anoloan'Ambohitsorohitra ianao no haka sary angamba, nefa izahay dia tsy naninona mihitsy ary tsy nisy niteny na dia teo anoloan'ny Palacio La Moneda (io ilay Lapam-panjakana iasan'ny filoha Chilena fiantso ny mponina any) aza no naka sary. Tsy nisy niteny anay ireo mpiambina ny banky samihafa raha naka sary azy ireny noho ny hankatony izahay, nefa manandrama anie ianao maka sary manakaiky banky raha tsy tabataba no ho azonao tahaka ireny hoe haka ny planin'ny banky ireny angamba ianao raha eto Madagasikara aloha. Indray maka moa teo Madagasikara dia azon'ny filazana mihitsy aho hoe fafao daholo ny sary azonao teo rah atsy tiana alaina ny fakantsarinao. Dia tsy haiko loatra aloha fa eo amin'ny tontolo frantsay sy amerikana angamba no tena be fandrarana tsy mahazo maka sary toerana izany fa tany Chile aloha izahay na miara-maka sary amin'ny mpitandro ny filaminana any aza tsy olana mihitsy. 

Raha mahatsapa toy ny mafana antonony ihany aza izahay dia somary mahavariana ihany ny mahita ny mponina miaro ny tenany fatratra tsy ho azon'ny hatsiaka angamba sy ny fahamaroan'ny olona miakanjo mainty (tena niavaka mihitsy io akanjo matroka io). Raha mahita olona mpiborosy kiraro fahita any Amerika Latina ianao dia somary malotoloto kiraro kosa ny tanora any (misimisy ny manao tenisy malotoloto fa tsy rovitra). Tsy mahamenatra ny olona any ny mifampitantana sy mifanoroka ary mifampitsôda na dia eny an-dalambe aza. Nisy aza moa nilaza fa fahafinaretana ho azy ireo mihitsy izany hoe misy mijery izany ry zareo amin'iny fifanorohana lavalava iny. Gaga ny vahiny raha nahita io fihetsika io ary gaga ny Amerikana Latina raha nanao io fanamarihana io izahay, toy ny zavatra mandeha ho azy io any amin-dry zareo, nefa nisy ihany ny lasa vinany rehefa nolazainay ny langolangom-pitiavana tsy mahazatra anay vahiny indrindra fa ny Arabo, ny Aziatika ary ny Afrikana (ao anatin'ny Afrikana ny Malagasy) ka nanao hoe toa misy fanambaniana ny vehivavy tokoa ilay fihetsika.

Zavatra tsikaritra ihany koa dia ny tsy fahaizan'ny olona any teny anglisy na dia ny bitika aza fa dia teny epaniola ihany ho hainy. Raha mahay teny espaniola ianao izany dia tsy hanana olana fa izahay tsy mahay tsara afa-tsy ny teny fantsay koa aloha dia tena vahiny tanteraka tamin'ny toerana. Na eo aza anefa izany tsy fahaizana teny espaniola izany dia tokony ho tsy very mihitsy ianao raha manana sarintany ka mahay mamaky teny. Mameno ny tanàna mihitsy ny anaran'ny toerana izay diavinao indrindra moa fa eny amin'ny metro (izay tsara lavitra noho ny tany Paris hitako ny an-dry zareo no madio tokoa) ianao. Tsy misy manala na mangalatra ihany koa ny takelaby misy ny anaran-dalana sy ny laharan'ny trano ka tsy mahay anarana hotely na trano anavahana toerana toy ny ny hoe Vatobe na akondro na Mascotte na CCAC loatra ny mpanamory fiarakaretsaka raha ohariko amin'ny zavamisy eto Madagasikara ilay izy fa ny anaran-dalana sy ny laharan'ny trano ihany no miresaka any amin-dry zareo. Toy ny midika ihany izany fa mipetraka ihany fandaminana sy ny fandrafetana ny tanàna.

Hatreo aloha fa mety hisy tohiny indray angamba!

Jentilisa 09 jona 2010 amin'ny 00:23

Sary famoahana ny razana teny Andohalo

2010-05-24 @ 22:31 in Ankapobeny

Tsy dia hanao be resaka loatra fa mba mamoaka izay sary teny amin'ny famoaham-paty teny Andohalo tamin'ny alatsinan'ny pentekosta 24 mey 2010 fotsiny. Mirary fiononana ho an'ny fianakaviana. Ilazana fotsiny izay tsy mbola nahare fa misy fotoam-pivavahana ho an'ny tanindrazana eny amin'ny FJKM Amparibe Famonjena ny talata 25 mey 2010 ho avy izao manomboka ami'ny roa folakandro.
 
Nahavoriana olona ihany teny
efa eny amin'ny arabe moa izao fotoana izao
samy nifanety na ny olona na ny fiara
voaisanareo ve ny vona fito?
Maro tamin'ireo mpitandrina ireo no nibata azy
Itarafanao ny hamaroan'ny olona fotsiny
 
na eto
na eto
Ny trano biriky no niandrasana azy
Mba misy tia miakanjo miaramila koa izy izany
Tao anatin'ny vavaka 
Tahaka ny fantatro ilay zalahy ity!
Fa naninona ny olona no ningonongonona rehefa ny mpitandrina Ramino Paul Abraham no nasaina nanao teny fampaherezana?
Mpanao politika maka sisiny ve?
 
Fa tsy misy sary miverina ve izy izany ry Jentilisa a?
Efa hoe i Fetison Rakoto Andrianirina io
 
Ny Pr Zafy Albert indray raha izao
 
Hanainga ireo fiara maromaro hamonjy fandevenana
Misy anaran-tshinoa izay ilay ao anaty fiara io sady mpanao politika koa izy
 
Misy ireo tsy afaka mandevina
Dia manotrona manaraka ny lalana
 
Nomena laharana ireo fiara hizotra any Ambohitrombihavana Handevina ny Pst Rivo. Noho ny asa aman-draharaha moa na dia andro tsy fiasana aza dia tsy afaka namonjy fandevenana ny tena.
 
Jentilisa, 25 mey 2010 amin'ny 01:00 

Santiago toeram-pivoriana manaraka

2010-05-02 @ 15:11 in Ankapobeny

Raha miteny isika hoe Maputo, Addis Abeba, Pretoria dia manaraka ho azy ny Santiago (Tsy niady rima loatra ny toerana raha Johannesburg no nivoriana teo!). Tsy ny mouvances anefa no handeha amin'izany renivohitry ny Firenena Chiliana any Amerika atsimo izany fa ny olo-pirenena tia mitati-baovao anareo. Telo mianaka izahay ny malagasy ho any amin'izany toerana izany miainga avy eto an-tanindrazana fa misy koa ny Malagasy miainga avy any ampitan-dranomasina (Etazonia).

Hotontosaina ny 6 - 7 mey 2010 izany Vovonana karakarain'ny Global Voices izany ary tohizana avy hatrany amin'ny fivoriana anatin'ny mpitantana, mpanoratra, mpanitsy lahatsoratra ary mpandika lahatsoratra ho amin'ny fitenim-pirenena vitsivitsy an'i Global Voices ka anatin'izany ny teny malagasy. (Ny 8 - 9 mey 2010 no hanatontosana izany ao amin'ny Tranombokin'i Santiago).

Efa rentsika fa nisy horohorontany tany amin'io firenena iray io. Tsy nampihemotra na nanovana ny toeram-pivoriana iny toe-javatra iray iny fa lasa fijerena ihany koa aza ny fanorenana indray an'i Chili aza. Mazava loatra fa miompana amin'ny ho avin'ny Media Citoyen (fampitam-baovaon'olo-tsotra) sy ny fandraisany anjara mbamin'ny lanjany eo amin'ny sehatra iray ny resaka any. Manaraka izany, mifampitohy aminy dia efa hitantsika angamba ny fiovan-tavan'ny Global Voices amin'ny teny malagasy (Sy ny teny anglisy izay hadika teny koa mazava loatra) ... Endrika iray ho amin'ny fivoarana ihany koa ireny, ka irìna hiroborobo io sehatra teny malagasy io rehefa tonga avy any izahay sy rehefa maka aina vetivety kely monja.

Mazava loatra fa miserana kely ao Paris Charles de Gaulle ny tena ny tapakandron'ny alatsinainy 03 mey 2010 ( fa tsy mihevitra ny hivoaka ny seranana) sy ny tapakandron'ny talata 11 mey 2010 izahay. Asa raha tara loatra ny fanontaniako hoe mba manao ahoana moa ny fiantraikan'ny bolongana (mbamin'ny valantserasera isan-karazany) sy ny zavatra notantarainy taminareo, raha raisina ho ohatra ny zava-misy eto Madagasikara nandritra izay roa taona mahery izay. Raha toa tsy tafavoakanao eto ny hevitrao dia azonao atao ihany koa ny manoratra aty aminay amin'ny alalan'ny Imailaka izay azonao karohina ato.

Hiala kely ny rivotry Gasikara izany ny tena ka hody tsy hahalala ny zava-misy eto mandritra ny andro vitsivitsy fa ho mpanaraka tsotra ihany koa mandritra ny fotoana vitsy izay hanatrehana izany vovonana na fivoriana an-tampony izany.


Jentilisa, 02 mey 2010 17:13

Hifidy isika fa amin'ny fomba hafa

2010-03-16 @ 20:26 in Ankapobeny

Resaka an-tserasera no hanombohantsika ny raharaha sady anton'ny lohateny. Misy bolongana miresaka zavamisy eto Madagasikara tafiditra famaranana amin'ny fifaninanana bolongana tsara indrindra manerantany. Fifaninanana bolongana amin'ny teny frantsay indray ity sady amin'ny sehatra manerantany mihitsy. Raha nahazo loka izy tamin'ny BOMBS (Best Of Malagasy Blogs) koa rariny araka ny hevitro raha tohanana izy amin'ity amin'ny the BOBs ity, fifaninanana karakarain'ny Deutsche Welle ity, sady efa tsy mpitsara ny tena eto dia afa-manohana tsara. Efa tsikaritro matetika fa rehefa miara-mivondrona ny Malagasy amin'ny fifaninanana mila ny safidin'ny mpamaky na ny mpijery izay dia mahazo ny amboara hatrany na voalohany hatrany, koa eto indray ve isika no handraraka ilo mby an-doha? Aza miraharaha izay isan-jato hitanao fa ny safidinao ihany no tadiavina, ny erikerika mahatondra-drano koa alao hery ry zareo.


Ahoana no atao hifidianantsika rehetra? Mankanesa ato: jereo ny tafita famaranana amin'ny bolongana miteny frantsay. Rehefa izany dia tsindrio ny Reflexiums eo ankavanana, izay vao manindry ny VOTER pour ce blog isika. Dia aparitaho amin'ny namana rehetra fantatrao mba ho re laza manerantany indray i Madagasikara sy ny tolony. Na dia te-hiresaka zavatra hafa aza aho dia hatreo aloha no ataoko dia mba aparitaho ihany koa ny rohy sy ny fampianarana ny olona rehetra hifidy. Mahaiza mifidy e! raha toa moa te-hahalala izay soratan'i Achille52 isika na @sameganegie dia vakio eto ary raha hifandrisika amin'ity lalao ity isika dia ato indray.



Jentilisa, 16 mars 2010 amin'ny 22:22 alina


Hatsikana mandritra ny tontolo andro

2010-03-04 @ 22:01 in Ankapobeny

Na dia saiky tsy hiresaka momba ilay atrikasa antsoina hoe teny ifampierana izay hala-tahaka avy amin'ny loabary andasy izay tontosaina ny andron'ny alakamisy 4 sy ny zoma 5 marsa eny amin'ny Tranom-pivoriana iraisam-pirenena Ivato aza ny tena dia tsy tana fa mba hanoratra kely ihany. Zava-nahatsikaiky manko no tsipalotra ka aleo resahina kely!


Ho fanombohana ary dia tsaroana izay sariitatra vahiny tamina gazety vahiny izay, misy mpivady lehibe mijery fahitalavitra maneho endrika tsy faly. Nandeha ny fandaharana ho an'ny ankizy fa tsy miova ny endrik'izy ireo. Nandeha ny fampihomehezana fa vinitra hatrany izy mivady. Fa nandeha amin'izay ny vaovao politika fa nitsikanikany sy tapa-tsinay mihitsy izy mivady. Nihevitra ihany aho tamin'izaho namaky ilay sariitatra nojinery fahakely fa mba adala ihany ireto mpivady mikivanivany amin'ny resaka tokony ho matotra ireto. Nifindran'ny aretin'izy mivady anefa ny tena rehefa nanaraka ilay fandaharana mivantana tamin'ny fahitalavi-pirenena ny alin'ny alakamisy 4 marsa 2010. Fa nisy inona angaha nitranga?


Ny tolakandro aloha tany ampiasana, misy fahitalavitra azo jerena tsara mihitsy ny anay fa matetika no tsy mahafantoka loatra amin'izay mandeha eo noho ny asa atrehina, dia hita ihany fa hay mandeha mivantana amin'ny fahitalavitra ilay atrikasa. Tsy atao tompontrano mihono tokoa ny olona ka aleo hahita. Tsy nisy nety te-hijery azy avokoa ny tao am-piasana aloha, fantatra fa misy mifanohi-kevitra ny mpiara-miasa ka sao mahatohina angaha na hampisy disadisa. Ny alina tonga tato an-trano aho vao nanaraka, izahay manko e! na tsy mankasitraka tsotra izao io hetsika io aza da nanaraka mihitsy hijery izay fizotrany. Hay tena matiantoka ny tena tsy nanaraka azy hatramin'ny voalohany!


Aleo hofintimpintinina avy hatrany ireo tranga mampivadika aty izay hany mba hitan'ny tena (efa hirava ny lanonana amin'io). Voalohany na dia nolazaina aza fa "teny ifampierana" ny anaran'ilay atrikasa dia mbola niadiana hevitra indray ny anarany amin'ny teny frantsay. Tao ireo nanitrikitrika fa mahasolo ny "Conférence Nationale" avy hatrany io ataon-dry zareo io satria fahavorian'olona tsy misy tahaka io intsony, fahavoriana fikambanana sy antoko politika no tena tiany lazaina eo. Misy kosa ny mitsipaka izany tanteraka, dia lany kely teo ny andro. Lasa avy hatrany ny eritreritra hoe izany ve no niadiana hevitra tao nandritra ny tontolo andro?


Ifandrombahana moa ny fitenenana satria mba te-hiteny ifampierana avokoa angaha! Mananga-tanàna izay te-hiteny fa misy mandritra ny ora iray mananga-tanana foana vao mahazo ny fanamafisam-peo, fa misy ihany koa ny nananga-tanana hatrany fa tsy nahazo anjara fitenenana hatramin'ny farany... na tsy reraka aza ranamana nananga-tanana dia tsy nahazo rariny e! Asa hanao ahoana angaha ny hakiviany any am-podiana any? hita amin'ny fahitalavitra izany tantaraiko izany fa tsy hoe nanatrika tany ny tena an! Misy mifamely fantsy ankolaka mihitsy moa ireo mifandimby miteny fa dia anjarany moa izay. Nodradradradraina tamin'ny kabary fanokafana ihany anefa fa tsy misy hoe kely sy ngeza intsony ny antoko politika fa manan-jò (vato iray avy) rehefa hotontosaina ny fifidianana na fandrotsaham-bato.


Misy ihany koa ny hevitra "minisitra" iray izay namoaka karazana soso-kevitra ahiana ho lany hoe raha fidiana ny "Assemblée consituante" dia tsy asiana fitsapa-kevi-bahoaka na referendum intsony satria efa karazany mahasolo tena ny safidim-bahoaka ireo izay tafiditra ao amin'ny "Assemblée Constituante"... iny indray no hafa saingy mampanahy be ihany. Tsy haiko intsony aho na tokony hihomehy na tokony ho tezitra fa tsy nahita tahaka izany indray aho ho'aho. Hapetraka tsy misy fitsapa-kevi-bahoaka intsony ve ny lalam-panorenana? Faramparany moa efa be no lasa satria tsy manana fiara manokana hodiana, tsy ilazako hoe noho ny fahatezerana, dia nikabary nanao fanontaniana maro ny mpitarika iray ka valiana eny na tsia, ary tanatin'ny fanontaniana ny hoe : "ilaina indray ve ny manova ny governemanta?" dia tsia no nataon'ny sisa mpanatrika, mety ho avy amin'iny fanontaniana kabary novaliana am-bava iny izao no ahiako hamoahana ny fehinkevitry ny safidim-bahoaka.


Satria moa ny tena tsy nivonona ny hitadidy na handray an-tsoratra ny zava-nitranga dia noadinoina ny ankamaroan'ny zava-nisy faramparany mba tratra; na izany aza tena noana vetivety mihitsy aho noho ny fotoana naha-tapa-tsinay ahy fotoana lavalava ihany. Koa asa moa ny andron'ny Zoma na hanakory indray ny tohiny na hanakory fa tsara ihany ny mijery mivantana ny raharaha eny Ivato io tsy maka lagy fa vonona ny hihomehy, afa-tsy hoe tsy hampitaina mivantana intsony angaha ny fotoana na hoe maro no tsy hanaiky ho mpilalao mampihomehy ao anatin'ilay atrikasa. Dia aleo hihomehezana ilay politika e! fa na izany na tsy izany mba misy ihany koa ny hevitra matotra hoe raha hanangana "Assemblée Constituante" dia tsy ilaina intsony ny Fikaonandoham- pirenena izay tokony hihevitra momba ny Lalampanorenana ihany koa satria manjary mifanitsak'asa ny roa tonta.



jentilisa, 05 marsa 2010 amin'ny 00:07 maraina Antananarivo

Bibiolona

2010-03-03 @ 06:41 in Ankapobeny

Trangam-piaraha-monina eto Madagasikara amin'izao fotoana izao indray no ambara etoana. Malaza indray izao resaka bibiolona izao amin'ny faritra sasany. Roa ny toerana ankalazana azy ity fatratra dia eny Ankatso sy eny Andoharanofotsy. Fifanandrifian-javatra mampihomehy ihany rehefa dinihana.


Tamin'ny andron'ny Fanjanahantany dia nalaza dia nalaza izao mpaka ra na mpaka fo izao. Tsy niezaka ny nandiso izany sahoan-dresaka izany ny Mpanjanaka na dia mety ho henony aza io. Tsotra ny antony, mety ho ry zareo mihitsy no nihavian'ny sahoan-dresaka mba hampilamina sy hampipetraka tsara ny olona feheziny. Ny hamory ny olona tsy maintsy hipetraka an-tanàna lehibebe aza natao mba tsy hisy ny olona hitoka-monina... izany hoe tsy hisy ny olona sarotra arahi-maso... koa ny famehezana ara-psikolojika tahaka itony indray no avelavela fahatany? Inona moa ny vokany amin'ny olona? Tahotra! rehefa manjaka ny tahotra dia tsy hisy hivoaboaka any amin'ny maizina any... vita ho azy ny "tsy fahazoana mivoaka sy mivezivezy amin'ny alina". Koa tsy atao ho mahagaga raha niara-nanjavona tamin'ny fanjanahantany ny resaka mpaka ra sy maka fo avy eo. Ny lafitsaran'ilay zavatra dia nilamina tokoa amin'ny ankapbeny ny tanàna satria manana tahotra mbamin'izay mety ho mpangalatra tsinona.


Tsy naheno momba tsahotsahon-javatra tahaka izany loatra intsony aho taty aoriana afa-tsy nyhoe misy sarety mandehandeha izao amin'ny alina nefa tsy hita ilay sarety sy ny karazany. Fa nisy fotoana nanana ny lazany ny boky tantara an-tsary ka anisan'izany ny "Koditra". Ny tena nalaza indrindra tamin'ny boky "koditra" dia ny tantaran'ilay bibiolona nantsoina hoe "Bobel". Rehefa nanakaiky ny fandrodanana voalohany ny Amiraly, ka anisan'ny nanao andrimasom-pokonolona ny tena (sady tanora mavitrika ihany koa moa) dia nalaza fatratra ny resaka valamaty, ka tao indrindra ny filazana fa misy bibiolona ao amin'ny Lapan'Iavoloha ao. Ny hafatra ambadika dia hoe izay mahasahisahy manafika aty dia i Bobel no hitsena anareo sady mihinan-dra (vampire!) sy mihinan'olona mihitsy izy. Vokany : Angaha nisy nahasahy nanafika izany Iavoloha izany ankoatra ilay diaben'ny fahafahana natao ny 10 aogositra 1991 satria vahoaka be kosa ve! Rehefa niala tao Ratsiraka dia tsy hita niaraka taminy ihany koa i Bobel na nandositra mialoha fa tsy tiana nentina tany Andafy!

Nandritra ny fanonganana an-d Ravalomanana indray dia fantatra fa tsy misy bibiolona tao Iavoloha ary tsy misy bibiolona ihany koa ao Ambohitsorohitra dia sahy notafihina avy hatrany. Koa satria moa tsy nampiasa ny tetika fampiasan'ny mpitondra teo aloha mamoron-dainga hampatahotra ny lapa na ny toerana iray ny filoha Ravalomanana tamin'ny fotoana nitondrany dia nodradradradraina indray fa mivavaka amin'ny osy io rangahy io. Nojerena amin'izay fa feno sary sokitra ondrilahy sy osy vita tamin'ny biriky tanimanga tany antokotanin-dapa ary dia noadinoina tao an-dapa koa ny osikely volamena na ankoso-bolamena izay mety ho lafolafo ihany ny vidiny... efa ela tsy nipetrahana intsony anefa io lapa io tamin'izany fotoana izany. Saingy izao no tena izy: Tsy sahy notafihin ny lapa tamin'ny andron-d Ratsiraka satria nanana fitaovam-piadiana mankoana sy bala manokana ny vondro-tafika mpiaro ny filoha ary nisy aza ny nahasahy niteny fa raha nifanandrina ny samy miaramila dia ny miaramila hafa no lany bala mialoha ny miaramilan'ny mpiandry lapa. Sahy notafihina kosa ny lapa tamin'ny andron-d Ravalomanana satria tsy nanana vondro-tafika manokana ny mpiambinia ny filoha ary tsy ary fiadiana mihoatra noho ny hafa ny mpiambina ny filoha. Any amin'ny hafa kokoa noho izany ny hery.


Mandia ny taona 2010 indray isika dia indro fa nitsangana tamin'ny maty i Bobel. Toa mandehandeha ao Ankatso sy any Andoharanofotsy any ho any izy ity na izy ireo. Misotro ran'alika sy ran-saka ary ram-biby hafa izy ity ka tsy fantatra na ankafiziny na tsia ny ran'olombelona fa aleo mailo ihany. Vokany, tsy misy loatra ny mahasahy mandehandeha amin'ny alina any amin'ireo faritra ireo. Mifampiambina ihany koa ny mpianatra nefa tsy hahasahy hivoaka ny faritr amisy azy fandrao voampanga ho bibiolona eo. Dia tsy misy noho izany ny fivoriana mety hisy amin'ny alina hanomanana grevy any Ankatso. Dia mety hilamina ny tanàna ka handry fehizay ny mpitondra. Eny Andoharanofotsy indray moa misy miaramila somary madiditra eny, mpiambina ny mpikambana FAT iray malaza amin'izao fotoana izao, raha ny lazany amin'ny gazety no itarafana azy ka hisorohana izay mety ho fitsikilovana izay mitranga any dia nasiana porofo ny fahaveloman'i Bobel indray. Dia amin'izay fotoana izay ihany koa dia tsy hisy ny hahasahy hanafitafika eny.


Dia lasa ny saina mieritreritra izany rehetra izany: mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolo ve dia mety hojonoin'i Bobel tahaka izany? Ka ny tena fatratra koa dia gazety ihany no teny minia manaparitaka azy ity, dia ny gazety noheverina ho mpitaiza sy hanazava amin'ny olona fa tsy natao hampitahotra ny mpinomino foana. Sady ny mahahenjana azy ity dia tsy mety ho hita maso mihitsy i Bobel fa ny "asany" ihany no manaporofo ny fisiany. Na izany na tsy izany ny Bobel efa hitako aloha dia manana tanana ho fitaovam-pamonoana tsy azo ivalozana antsoina amin'ny teny Rosiana hoe Kalachnikov ho an'izay nianatra teny Rosiana. Ary ny vavany tsy mitsahatra ny miteny lainga mandrakariva na dia mivovò mandrakariva amin'ny teny Alemana hoe :"Wow! Wow! wow!" aza ka raha gasiana dia mody asiana -ka na -tra na -na, rehefa nampitahaina ny fanatsaram-peo dia ny -ka no mety amin'ny indrindra ka saiky notononina hoe wowka. Tsy mety amin'ny teny malagasy moa ny w koa ny teny mety amin'ny indrindra dia hoe "Vahoaka".


Angano! angano! à rire à rire! tsy izaho no mpandainga fa ny gazety malagasy ihany no tena mankalaza hoe velona i Bobel ka mitandrema sao mifanena aminy.



Jentilisa, 03 marsa 2010 amin'ny 00:45
 

26 janoary 2009 nakana hevitra tamina roman gasy

2010-01-25 @ 21:37 in Ankapobeny

Mety tsy hampino anareo ny zavatra lazaiko saingy rehefa namaky ity boky ity aho dia resy lahatra ihany fa nakana saina tamina roman (tantara noforonina malagasy) ihany ny zava-nitranga tamin'iny 26 janoary 2010 iny. Holazaiko anareo eo ihany ny antony fa hiresaka zavatra manodidina ity tantara nampahonena teto amin'ny firenena ity ihany isika.

Tsikaritra kely tamin'ny TVM

Nijery baolina ny tena ka teo amin'ny firavana ara-dalàna nisarahana ady sahala dia nandefa vaovao kely ny vaovao an-tsarin'ny TVM. Fanararaotra hamoahana ny vaovaon'ny fitondrana tokoa ny fotoana mahavory lanona ny mpankafy baolina fandaka sahala amin'izao sady samy ekipa goavana rahateo no nifanandrina. Mialoha izany, amin'ny maha-alatsinainy ny andro dia nampahatsiahy ny zava-nisy andro alatsinainy tahaka izao tamin'ny herintaona ny televiziona, sary hafa mbola tsy nivoaka firy tamin'ny haino aman-jery samihafa. Ny famakiana sy ny rodorodo efa hitantsika taty amin'ny aterineto ihany fa ity iray ity no mbola tsy nivoaka firy.

Tovolahy iray no nitondra karazana farango vy anankiroa, nahazo ny terrasse, sady misy kiririoka teny ambavany no namaky fitaratra tranobe vaovao tamin'ny farango roa nentiny. Heno tsara ny hatezeran'ny olona sy ny fandavana tsy hanaovana ilay fomba ratsy fa tsy noraharahiany izany. Ny tsy tao an-tsain'ilay tovolahy dia nisy badge mavomavo niambozonan-dranamana. Tsy nahatsikaritra io aho fa ilay teo akaikiko no nihoraka avy hatrany ka nanaitra ahy ihany koa ny fisiany. Anisan'ny mpiandraikitra ny tolona ve ranamana io raha niambozona badge teny an-tratrany? Na tsy mety miroso aza ny famotorana tsy maintsy lazaina izay tsikaritra izay ho singa hanaovana ny fanadihadiana rahatrizay.


Tsy sahin'ny ankilany mafana fo lazaina loatra

Misy ireo olona minia mampitadidy ny maha-alatsinainy nisian'ilay androm-pisaonana teto amin'ny firenena. Tsy à l'aise loatra indray anefa ny tena mafana fo tamin'ireny tolona nataony ireny rehefa hotsarovana ity andro iray ity. Minia tsy miresaka mihitsy ry zareo raha ny alatsinainy izay aloha no lazaina fa ny talata 26 janoary 2010 no tsy fantatra hanao ahoana amin'izay ny ho resaka. Angamba hieritreritra ny ho fialana bala amin'izay adihevitra mety hitranga ry zareo saingy rano raraka tsy azo raofina intsony ireny ka aleo samy hitsakotsako izay vitany.

Ny tena mahalasa vinany koa dia toa tadiavin'ny mpitarika ny tolona hamerenana ny ara-dalàna handalovana fotsiny ihany koa ity andro fahatsiaroavana iray ity. Tena tsy manana hevitra mihitsy ve ry zareo sa tena tsy azo idirana intsony mihitsy ny ery amin'ny Auditorium Ankorondrano no tsy mba misy mari-pahatsiarovana bitika hatao amin'ity andro iray ity herintaona katroka aty aoriana? Hamela mari-pahatsiarovana ihany angamba ny tena hanamarika fa tolon'olo-tsotra no tena iaingan'ny tamin'izao fotoana izao sady tsy mbola hita ireo milaza ho mpitari-tolona amin'izao fotoana izao tamin'izany fotoana izany. Sa horarana ve ny fidirana ny Magro Ankorondrano? Tsy nandrenensana fanomanana mihitsy aloha fa dia an'ny tsirairay ihany angamba no manao izay tsiaro mangina ataony.


Rotaka maty paika

Hiverina amin'ny lohateny amin'izay aho. Efa hanakaiky ny roa volana sahady izay no namakiako voalohany ity tantara noforonina malagasy ity. Faralahy Idealy Soa zanany no nanoratra azy tamin'ny taona 1978 ary natonta fanindroany tamin'ny 2005. "Rotaka maty paika" no lohatenin'ny boky ary navoakan'ny Edisiona Takariva. Mbola olon-kafa ihany koa no nanoro ahy ity boky ity ary nahavariana ny Fintina nataony tany amin'ny fonom-boky farany. Izao no voasoratra:

"Fa iza hono no fahavalo? Ny Sinoa angaha? Tsia tsy ny Sinoa akory ka... Ny Karana? Tsy ny Karana akory ka... Fa iza? Ny Vazaha fotsy hoditra?... Tsia, tsy ny Vazaha hono ka... Fa iza ary? Ny Malagasy hono. Ahoana?... Ny Malagasy hono no enjehina e!... Fa iza no manenjika? Ny Malagasy ihany hoe...!
...   ...   ...   ...

Tsitapitapitr'izay dia nanomboka ny rotaka mahery setra nanodidina ny tanàna ... Nanomboka teo dia tsy fantatra intsony ny asan'ny mpanararaotra sy ny tena vokatry ny hatezeran'ny olona... Ny hita diananenika ny tanàna izany herisetra izany... Maro ny olona no namoy ny ainy. Maro koa ny naratra. Maro ny nandositra ..."

Hatreo ihany dia tsy maintsy ho taitra ny tena hoe fa ahoana tokoa ity boky ity? Fa ny fizarana fahatelo teo amin'ny fonomboky aloha no tsy mbola nisy nanatanteraka tamin'iny tolona 2009 iny : " Lehilahy efatra... nitambatra tamin'ny lehilahy iray... efa ho torana ... mangan'ny daka sy ny vely langilangy ... "Ilazao ireo naman'ialahy fa tsy matahotra anareo  mihitsy izahay... Ialahy isany no manao an'ialahy isay ho iza? ... Raha tsy tapitra tamingana ianareo tsy avelanay!"

Mazava loatra fa raha oloa niaina ny zava-nisy teto amin'ny firenena tsy maintsy ho liana tamin'izay voasoratra tao anatiny, sambany indray i Jentilisa no hamaky boky tantara noforonina. Efa ela tokoa izay. Nahavariana ny fifanandrifian-javatra! Manana pejy 154 aloha ilay boky... Fohifohy ihany. Handeha hatsidika vetivety hatrany amin'ny farany ny tantara. Toy izao no voasoratra:
 
"Ny tetika farany tamin'ity tetika mandoza ity dia ny fandraisan'ny tanora anjara amin'ny fihetsiketsehana. Efa vonona avokoa ny  fomba hanodikodinana ny fitakian'ny tanora ka hahatonga ny fihetsiketsehana nomaniny ho fifandonana amin'ny Tafika sy ny fitondrana isan-tsokajiny ary indrindra ny fifandemena amin'ny masoivohom-pirenena vahiny eto an-toerana. Amin'izay mantsy dia ho mora foana sy ho voamarina ny fandraisan'ny miaramila vahiny anjara amin'ny korontana : Ho fiarovana ireo terantany vahiny no lazaina nefa dia hanampy trotraka ny fisavorovoroana no ahatongavany eto amin'ny Nosy. Raha ny marina dia hametraka eo amin'ny toerany ilay saribakoly efa azony antoka fa hahazoany vahana indray any aoriana any no na antony." p.153

Mahavariana ny tantara! Dia fifanandrifian-javatra fotsiny ve ny tolona 2009 sy ity roman mitondra ny lohateny hoe "Rotaka maty paika" nosoratana tamin'ny 1978 ity ary i Andry no "heros" ao anatiny?

Ny ambangovangon'ny tantara

Teto Antananarivo sy tany Toamasina ary tany Mahajanga no niseho ny tantara. Nisy olona nanakarama ireo mpanendaka sy jiolahy monina eny ambany tanàna (tetezan'i Bekiraro sy Ilanivato) handeha hamaky toeram-pivarotana maro tany Toamasina dia avy eo indray hamono olona na foko tany Mahajanga. Ankoatra ny karama dia tombony ho azy ireo ny fahazoana ny zavatra norobaina ho entiny mody any an-tranony. Ireo jiolahy ireo no tena niasa mafy tamin'ny fanaovana rotaka tao amin'ilay tantara satria ireo no mpitarika hita maso tamin'ny fibaikoana ny andian'olona nentiny handroba na hamono olona. Mandeha fiara fitaterana sahala amin'ny olon-drehetra ry zalahy jiolahy ireo hamonjy ny toerana hanatontosana ny iraka. Kitapo am-bambena kely ihany no entiny amin'izany famitana ny iraka nataony izany.

Izay mahalala ny tantara nitranga teto Madagasikara dia hahatsiaro avy hatrany ny fandrobana ny toeram-piarotana tany amin'ny bloc commercial tany Toamasina tamin'ny 1973 izay namakiana sy nandoroana ihany koa ny toeram-pivatorana an'ny Merina. Raha mitodika tamin'ny famonoana tany Mahajanga indray dia ny fandripahana ny Komoriana tamin'ny 1977 avy hatrany no ao an-tsaina. Izany hoe ny mpanoratra eto dia avy tamin'ny zava-nisy teto teto Madagasikara ihany no namboariny ho lasa tantara noforonina; nefa ilay hevitra tao anatiny hanaovana ilay rotaka indray, raha ny fijeriko azy no nakan'ny sasany hevitra ka nanaovany ny tolona 2009 ka tsy afa-misaraka amin'izany ilay 26 janoary 2009 nandrobana sy nanimbana ny fananam-pirenena sy fananan'olo-tsotra izay an'ny Malagasy (sy an'ny Shinoa koa ny manaraka noho ny CITIC sy ny Supreme Center izay Malagasy ihany no mitana ny toera-mpivarotana maro tao anatiny) fa tsy voakitika kosa ny an'ny Karana sy ny Frantsay.

Tahaka izay sy tahaka izany ilay tantara novakiako roa volana latsaka izay koa asa raha tamin'ity tantara noforonina ity tokoa no nanaovan-dry zalahy ity 26 janoary 2009 ity na sendra izay fifanandrifian-javatra nahavariana ihany ny mpanoratra. Mba ahoana kosa ny hevitrao? Raha hametraka hevitra ianao dia ataovy vakiraoka aloha izay tian-kampitaina dia ankotriho (actualiser) ny takelaka dia apetraho amin'izay ilay hevitrao fa tokony hety izy avy eo.



Jentilisa, 25 janoary 2010 amin'ny 23:44

Maharesaka 19 janoary 2010

2010-01-18 @ 21:47 in Ankapobeny

Fintim-baovao sy fanehoan-kevitra manoloana ny lohahevitra maro mafana amin'izao fotoana izao indray no ambarako aloha. Somary miainga amin'ny loharano nanoratako tamin'ny aterineto voalohany indrindra indray aho izao; saingy tsy fampitana izay voalazan'ny Karajia na Kidaona maraina intsony no hambarako fa ny hevitro sy ny fomba fijeriko amin'ny ankapobeny.


Vola baoritra hoe?

Olana diso toerana amiko ny fanasongadinana io zavatra iray io na dia mety hisy aza ny fahamarinany. Ny fitiavan-tanindrazana no mametrka mba tsy hamotehana ny toe-karena malagasy efa mareforefo amin'izao fotoana izao. Mariky ny Fiandrianam-pirenena Malagasy ny vola malagasy ka tsy tsara ny manasoketa azy na dia hoe misy aza ny fanapariahana amin'ny alalan'ny banky, sampan-draharaha mikirakira vola ireo vola lazaina ho "sandoka tena izy". 


Fitakiana fanondrotan-karama

Mifanindran-dalana amin'ny etsy ambony ihany. Tsy mety ihany koa ny fitakiana fanondrotan-karana izay misy manao amin'izao fotoana izao. Firenena nalatsaka tanaty krizy ve dia mbola itadiavana fanondrotan-karana ihany? Fahadisoan-kevitra ao amin'ny mpitaky azy angaha ny fiheverana fa tsy miova mihitsy io sandam-bola io no mahatonga azy ireo hanao ity fitakiana diso andro ity araka ny fijeriko. Ny fitakiana sahala amin'itonymihitsy no mahatonga ny famoronana vola izay maromiahiahy amin'izao fotoana izao. Vitan'ny mifehy ny fahefana amin'izao ny mampisondrotra ny karana fa tsy miantoka ny sandany kosa izy avy eo. Samia mieritreritra! mila fanapahan-kevitra henjana ny sahala amin'itony.


Fidiran'ny SADC eto Madagasikara?

Soso-kevitra nataona filoha Afrikana iray io fa tsy fanapahan-kevitra tsy akory. Ny haino aman-jery manana ny tombotsoany amin'izany hevitra lazaiko hoe taingina izany no tena mivoy azy fatratra. Tsy tsara velively io hevitra io satria manjary mampiray indray ny tafika efa miroanahana amin'izao fotoana izao raha jerena. Nosy ny Firenena ka manana foto-pisainana hafahafa kokoa noho ireo firenena manana sisintany mivantana amina firenen-kafa. Izay firenena mandefa voalohany amin'ny fomba ofisialy eo no lasa hotoherin'ny tafika tafavondrona. Tsy vahaolana noho izany amin'izao fotoana izao izany mandefa tafika eto Madagasikara izany. Aleo ny eto ihany no hahatsapa tena fa tsy mila vonovonoina fahatany ny olona.


Monja Roindefo

Tahaka ny hoe ho avy hanatevin-daharana ny Ankolafy Madagasikara ny Praiminisitry ny FAT teo aloha. Tsara dia tsara anefa ny mihaino tsara izay nolazaina. Andrasana ny hahatongavany, Hoy i Manandafy. Tsy midika velively izany fa efa tafiditra anaty hetsika ihany koa ranamana, fa fanantenana sy firariana ny an'ilay niteny azy. Nahavory olona izy tany Toliary ka noarahabainy tamin'izany i Monja Roindefo. Hatreo ny tena azo antoka fa ny ankoatra izay dia fanombanana diso fipetraka avokoa.


Fandisoam-baovao

Tena misy dia misy tokoa amin'ny mpanao gazety no tena kinga dia kinga tokoa amin'ny fandisoam-baovao. Tsy voatery hoe diso ny zavatra ambarany fa ny fomba filazany azy no mety haharoboka ny olona hieritreritra zavatra diso sy mifanohitra tanteraka tamin'izay nambara marina. Tao amin'ny TVM ny alahady halina, raha nanambara ny mikasika ny fotoam-pivavahana notontosaina tao Antsahamanitra ry zareo dia nambarany fa nandritra ny toriteny dia niompana amin'ny hoe: "Miposaka ny fanantenana vaovao" ny ventin-kevitra lehibe. Misy teny toa io tokoa nataon'ny mpitoriteny saingy tsy araka izay nitateran'ny mpanao gazety azy velively. Raha io fotsiny no henoina na vakiana dia sahala amin'ny manao ankolaka ny mpitoriteny hoe ny FAT no fanantenana vaovao.

Tahaka izao manaraka izao ny foto-kevitra fampidirana nataon'ny mpitoriteny ho tahiry ho an'ny taranaka izay tena nambara tokoa raha sanatria very ny tahirim-peo: "Hitory ny Lalàm-panafahana vaovao na fampanantenana vaovao satria kivy sy ketraka ary miraviravy tanana ny vahoakan'Andriamanitra." Ny asa hatao dia ny hanambara ny hafatry ny Tompo, raha nanana andraikitra telo i Jesoa dia ny maha-Mpanjaka Azy, ny maha-Mpisoronabe Azy ary ny maha-Mpaminany Azy. Jesoa tenany no efa nilaza fa raha misy mino Azy dia ny asa ataoKo (Jesoa) no ataony koa, noho izany manao ny asa maha-mpaminany azy ny fiangonana. Tsy tokony hihoatra amin'izay ambara izay tandrify ho an'izay kivy sy very fanantenana ny teny rehefa manambara izay nolazain'Andriamanitra. Rehefa tsy miteny ny fiangonana dia feo hafa tsy avy amin'Andriamanitra no ho tonga any an-tsofin'ny olona.


Hatreo ihany aloha fa dia afaka mametraka ny VETO ny mpamaky. Na dia noadinoina aza ny maha-andron'i Martin Luther King ity daty eto ambany ity any Etazonia indrindra indrindra.




Jentilisa, 18 janoary 2010 amin'ny 23:52

Herimpanahy vaovao

2010-01-08 @ 23:06 in Ankapobeny

Ny hery tsy mahaleo ny fanahy, hoy ny fiteny malagasy iray izay. Mbola ekeko izany ary tiako hanjaka hatrany. Fifandanjan-kery no nisy teto tamin'ny herintaona - Raha misy tokoa liana amin'ny jery todika dia misy lahatsoratra telo mifampitohy mampahatsiahy antsika izay nitranga teto Madagasikara nandritra ny taona 2009 ao amin'ny Global Voices teny Malagasy. Ny fizarana voalohany janoary ka hatramin'ny Aprily dia nosoratan'i Lova Rakotomalala, ny fizarana faharoa manomboka ny volana mey ka hatramin'ny volana novambra sy ny fizarana fahatelo mitantara ny volana desambra kosa dia samy nosoratan'i Mialy Andriamananjara avokoa. Marihina fa lahatsoratra amin'ny teny anglisy ho hitan'ny Besinimaro ireo fa nezahina araka izay tratra kosa ny nandika azy ho amin'ny fitenindrazana. Tsara ihany koa ny mametraka azy ho tahiry - Aza atao mahagaga raha hita avokoa rehefa mety ho karazana hadalana rehetra. Tondroiko amin'izany avokoa isika rehetra, ary iniako tsy misy anavahana. Nankinina tamin'ny hery avokoa manko ny zava-drehetra fa natao ambin-javatra ny fanahy. Tsy mahagaga raha tsy mandeha amin'izay laoniny aloha ny fiainana eto Madagasikara.

Nisy ny fihetsika niniana natao hamandrihana ny mpitondra dia nahavoa tokoa ny fandrika. Nakatona ny fahitalavitra VIVA, nitaky ny hamohana azy  ny tompony sady Ben'ny tanànan'ny renivohitra tamin'izany fotoana izany fa avonavom-bava no setriny : "Tsapao aloha ny herinareo vao mitsapa ny ahy!" Nihevitra izy tsinona fa any aminy ny hery ka tsy misy afaka mifampitana aminy. Fihetsika tsy voahevitra niteraka fahatezerana tamin'ny maro, eny fa na dia tamin'ny mpanohana azy aza. Nampiakatra ny hafanam-pon'ireo manohitra azy izany ka nentina nahavoriana olona teny amin'ny kianjan'Ambohijatovo. Nahazo hery ireo ka tafiditra tsy nisy fisakanana ny kianjan'ny 13 mey satria maro ihany ireo mpanaraka azy tsinona. Hery lehibe ho azy ireo izany ary karazana fandresena sahady.

Voatery niverina haingana teto an-tanindrazana ny filoha izay tokony ho nanatrika ny fivorian'ny mpikambana tao amin'ny SADC. Nomanina ny mpanohana azy tamin'ny faritra manodidina ny renivohitra hanao fitsenana makotroka ho azy, hanehoana fa maro mpanaraka ihany koa izy. Maro tokoa ny nanofahofa azy teny an-dalana ary tsy latsa-danja tamin'ny hamaroan'ny olona vao nirotsaka teny amin'ny kianjan'ny 13 mey ny omalin'iny. Raha ny isan'ny olona fotsiny no nolazaina ho hery dia tsy misy ny afa-mitono-tena ho manana ny maro an'isa. Saingy nisy teny an-tsefantsefan'ireo olona nitsena ny filoha ireo no tsy nahazaka sahady ny fanehoan-kevitry ny hafa manana ny safidiny... Nanana fomba fisaina nisetrasetra izy ireo ary nihantsy ady tamin'ny vahoaka milamina mihitsy. Te-hifampitsapa hery tamin'ny mpanohana ny filoha sahady izy ireo ka nanao izay nibahanana ny lalana tetsy amin'ny CENAM Andavamamba. Notorahiny ireo tsy nitovy hevitra taminy ary nopotehiny ny tetezana fiampitàn'ny olona maomaorina. Efa nanana toe-tsaina haneho ny heriny amin'ny alalan'ny sandry sy izay azony natao ho fitaovam-piadiana izy ireo.

Ny ampitson'iny, faratampony tamin'ny fahamaroan'ny olona indrindra ny famorian'olona nataon'ny Ben'ny tanàna. Nikatona noho ny fanapahan-kevitry ny ambonimbony ao aminy ny sekoly katolika rehetra teto an-drenivohitra. Nampiseho ny heriny amin'izay ry zareo, tsy nanana endrika na fihetsika nampatahotra mihitsy ny mpitandro ny filaminana hatreny Anosy, na teny Anosipatrana hatreny Ankorondrano sy Tanjombato. Nitoratora-bato ny miaramila ny mpitolona fa tsy namaly, tsy nahazo baiko tsinona, "nandositra" tao amin'ny Radiom-pirenena ry zareo. Niditra an-tsehatra tao ihany ny Be sandry ary dia namotika sy nandrava ary nangalatra ny fitaovana tao, mbola nisy andia-miaramila tamina kamiao tao fa efa nirehitra ny trano roa tonta (RNM sy TVM) vao niala teo  ireo miaramila nahazo iraka hiambina. An'ny mpitolona tanteraka ny hery teo ka dia noravaravainy avokoa ny fananan'ny filoha rehetra. Herim-pandravana izany. Efa nisy moa ny mpitondra amin'izao fotoana izao nahateny fa lehilahy (ny filoha) raha tsy lasa adala amin'izay hanjò azy... Kanjo mbola tsy lasa adala ihany ilay filoha tamin'izany fotoana.

Niova tanteraka ny toe-draharaha ny ampitson'iny, nihevitra ny mpitolona fa tsy ho zakan'ny filoha ny nihatra taminy ka hametra-pialana izy vokatr'izay saingy diso ny kajikajy nataony. Teo ihany koa dia nihamaro ireo olona diso fanantenana tamin'ny nataon'ilay mpitari-tolona ka nanomboka nihemotra tsy hanaraka azy intsony. Nivalaketraka indray ny mpanohitra fa tsy hita izay hanohizana ny tolona. Nomena fotoana handosirana ny mpitarika saingy tsy nanao izany fa niditra tamin'ny dingana manaraka hanohizany ny tolona. Nivadibadika teny ny hoe hakana minisitera nefa tsy mbola voatendry ny ho amin'izany toerana izany. Ny Sabotsy 31 janoary 2009 nanaraka ilay alatsinainy matroka dia nisy andiana komandô nandrava ny sehatra teny an-kianjan'ny 13 mey fa tsy nikitika olona kosa. Manao ramatahora fotsiny ireny, hoy ny mpanao gazety nanentana sy avo vava, satria "tsy hitifitra mihitsy" (hay fantany izany?)... hoy ny voasoratro ho tahiry tamin'izany fotoana izany. Niverina tany amin'ny filoha indray ny hery saingy tsy tafaverina tanteraka izany. Dia nisy ny 7 febroary avy eo lasa nametraka fa voafehin'ny filoha tamin'ny ankapobeny ny hery. Mbola fandrika ihany koa anefa iny fotoana iray iny.

Na inona na inona nataon'ny mpanohitra tsy tena nahombiazana izany, ary dia nanomboka ny fandravana ny hetsika teny amin'ny kianjan'ny 13 mey. Tsy azo nandehanana mihitsy ny toerana. Mafy ny asan'ny mpitandro ny filaminana ka nahahendratrendratra azy ireo izany. Andro Sabotsy, andro farany noheverin'ny filoha sy ny mpanara-dia azy ho faran'ny fanakanana ny hetsika teny amin'ny kianjan'ny 13 mey no nivadika amin'izay ny miaramila tamina toby iray. Nioko tsy hanaraka ny baiko intsony izy ireo, sady efa voafehiny rahateo ny fitehirizam-pitaovam-piadiana. Nivadika tsikelikely indray ny nahazo hery nanomboka hatreo ka nahazoan'ny Ben'ny tanàna ny fahefana hitondra ny firenena. Hery no nahazoana ny fahefana. Na dia niezaka ny nitolona am-pilaminana aza ny mpandala ny ara-dalàna sy ny mpanohana ny filoha Ravalomanana dia toy ny tsy nahombiazana mihitsy, satria sady tsy any aminy ny hery no be mpitsikilo sy mpandrava tolona amin'ny fivoahana ny kianja tsy voaaro ao anatiny. Tsy misy olona tena manana tara-pahefana ihany koa ao anatin'ny mpitolona fa mitady hiankin-doha amin'ny hafa hitari-dalana azy ireo ny hetsika. Amin'ireny fotoana ireny hatrany anefa no voa mafy mandrakariva ny mpanohana ny filoha Ravalomanana.

Nandritra izany fotoana izany dia natao kilalao ny fanahy. Natomboka tamin'ny fotoam-pivavahana tao amin'ny kianja mitafon'i Mahamasina ny tolona ny alahady 11 janoary 2009. Samy nahafantatra ny rehetra nanatrika fa tsy ilay fotoam-pivavahana no tena zava-dehibe fa ny handrefesana kosa ny hamaroan'izay mety hanaraka ny tolona hatao. Niasa mafy ny sampana fampahalalam-baovaon'ny fitondrana frantsay tamin'ny fanaovana tatitra ny hetsika. Natao fitaovana politika hatrany ny fivavahana. Nandritra ny hetsika volomboasary dia noterena hifandamina sahady ny ankolafy mpifanandrina nefa ny iray mitaky ny hialan'ny filoha amin'ny toerany aloha vao hiditra amin'ny fifampidinihana, ny ankilany kosa tsy mieritreritra ny hiala mihitsy. Notondroina ho mpanelanelana avy hatrany ny mpitondra fiangonana efa-dahy tao amin'ny FFKM izay notarihin'ny Arseveka OMAR indrindra tamin'iny taona iny. Hay moa tamin'ny mpanelanelana voatondro sy ny mpifampidinika efa nisy nanana tanjona hafa dia hafa ihany koa. Tonga ny 17 marsa 2009 fa nisy nanainga vozon'akanjo tamina mpitondra fiangonana no sady anisan'ny mpanelanelana ny miaramila. Tsy nampihetsi-bolomaso ny solontenan'ny Katolika izay tompon-trano anefa izany fihetsika tsy voahevitra izany. Nanomboka hatreo no karazany rava ny FFKM, ary nohosihosena ny hasin'ny mpitondra fivavahana. Nangina ny mpitondra fivavahana saingy tsy nahazaka ny fahanginana intsony volana vitsivitsy taty aoriana.

Na dia maro aza ny olona no mitsikera ny fanapahan-kevitry ny mpitondra fivavahana tsy hiditra amin'ny resaka politika dia tsy izany kosa no sainin'izy ireo. Mifototra amin'ny fahamarinana ny hetsika ataony. Izay no lazainy, nefa heveriko fa ny tanjona hafa tiany apetraka dia ny hamerenana indray ny hasin'ny mpitondra fivavahana eo amin'ny sehatry ny firenena. Mahafantatra tsara izy ireo fa tandindonin-dozan'ny ady an-trano, tahaka ny fitiavana hampifandrafiana ny samy mpivarotra amin'izao fotoana izao, ny firenena ka tsy afa-mijery fotsiny ny loza hanjo ny fireneny. Te-hijoro hitandro ny fandriampahalemana sy ny fihavanana izy ireo ka andraikitra lehibe miandry azy ireo ny fanakanana ny fampiasan-kery tsy hahavaha vetivety ny olana fa hampitombo ny ratram-po sy fifamonoana fotsiny. Tsy nampoizin'ny mpitondra ity fijoroana vaovao ity ka notadiaviny ny hisotasotana ny fiangonana ahitana ny tena maro an'isa amin'ireo mpitondra fivavahana ireo. Tsy atao mahagaga raha natao izay handrarana ny vaovao tao amin'ny radio FJKM, ary amin'izao fotoana izao ny fampidirana amponja ny tale sy ny mpanao gazety iray amin'ity radio FJKM ity ihany. Te-hampiditra amin'ny fifandanjan-kery tsy mitovy ny mpitondra firenena amin'izao fotoana izao... saingy tsy toy ny tolon'ny misalasala eo amin'ny fifikirana amin'ny tsy fampiasan-kery tazonin'ny tena mavitrika ao amin'ny kianjan'ny ara-dalàna sy ny te-hiditra amin'ny fampiasan-kery tsy ananana akory fa dia misetrasetra (na migafy ny tolona) fotsiny no ataony.

Izaho manokana dia tsy mankasitraka mihitsy ny idiran'ny sarambamben'ny olona amin'ny herisetra sy ny fampiasana fitaovam-piadiana saingy efa very toky ny amin'izay ho tohin'ny tolona. Mpiroaroa saina loatra manko ny mpitarika ary eo dia eo ihany koa ireo mpandrava avy ao anatin'ny tolona ka tsy mahagaga raha tsy mahita teti-panorona mahomby hanohizana ny tolona izy ireo. Efa nametraka aho fa efa vita kosa angamba izay ny anjaran'ny olo-tsotra fa anjaran'ny hafa mahatsapa ny andraikiny sy ny fananany hery voafehiny tsara manoloana ny fampiasan-kery no manohy azy. Velom-panantenana tampoka aho raha nahare fa mijoro ary milaza ny tsy hihemotra intsony amin'ny tolona sivika ataony ny mpitondra fivavahana. Manana tara-pahefana izy ireo, sarotra ny idiran'ny mpitsikilo (misy ao amin'ny magro) amin'ny fifandaminana anatiny, ary tsy azo tsinontsinoavina ny fifampifehezana eo aminy ka tsy mahagaga raha velona indray ny Herimpanahy vaovao handrava ny fanahin'ny hery mpitondra fandravana. Koa aza gaga raha ho amina toeran-kafa indray no ho toera-mahazatran'ireo tsy nitsahatra nitolona teny amin'ny kianjan'ny ara-dalàna nandritra iny taona nivalona iny. Tsikaritra ho tsy mitsahatra ny mamotika ny fahazotoan'ny olona manko ny maro amin'ny mpitarika eny. Teny tsy misorona ny ahy. Efa manana fironana hanaraka kokoa ireo mpitondra fivavahana ireto ny tena... noho ny fandresen-dahatra ato amiko hoe raha mbola afaka mifampitana amin'ny hery hatrany ny fanahy dia te-hino kokoa ny fahamarinan'ny ohabolana malagasy izay tsy hotononiko intsony aho.


jentilisa, faha-9 janoary(1) amin'ny 01:09

Namoaka fanambarana ny hetsiky ny mpitondra fivavahana

2009-12-28 @ 11:36 in Ankapobeny

Hetsiky ny mpitondra fivavahana

Fanambarana

"Ary nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry". (Matio 9:36)

"Efa hitako tokoa ny fahorian'ny oloko,...ary efa reko ny fitarainany,...eny, fantatro ny alahelony" (Eksodosy 3:7)

Hita sy re ary fantatr'Andriamanitra ny fahorian'ny vahoaka Malagasy, ka tsy sahinay Mpitondra fivavahana ny hanampi-maso tsy hijery izany. Efa mby an-koditra ny fahantrana ho an'ny maro an'isa. Tsy mila ho porofoina na tadiavina ny anton'izany fa miharihary tahaka ny tafika andrefan-tanàna dia ny krizy lavareny izay hita ho iniana ampitarazohana. Manjaka hatraiza hatraiza ny tsy fahamarinana ary tsy afenina intsony ny fanaovana izany fa atao an-karihary. Azo tanisaina ny fisehon'izany, toy ny lainga sy ny fitaka iniana afafy eny amin'ny fampahalalam-baovao, ny kolikoly, ny fizarana vola etsy sy eroa, ny fampihorohoroana ny vahoaka, ny fisamborana ny olona tsy mitovy hevitra amin'ny tena, ny fampidirana am-ponja noho ny antony politika sy ny maro hafa tsy voatanisa.

Mikiakiaka sy mitaraina miantso vonjy ny vahoaka nefa toa tsy misy mpihaino. Tsy afaka mangina ary tsy hangina manoloana izany izahay Mpitondra  fivavahana, amin'ny maha-Raiamandreny sy Mpitondra ny Tenin'Andriamanitra ho an'ny mpiara-belona. Izany no ijoroanay ankehitriny mba hiteny amin'ny fahitsiana sy ny fo madio, mampandefitra izay mety ho fironana amin'ny maha-olombelona.

Koa manoloana izao zava-misy eto amin'ny firenena izao, dia ambaranay am-pahamarinana sy am-pahasahiana ireto:

1. "Fa atolory ny tenanao ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra" (Romana 6:13b)

Ny fahalalahana sy fahafahana miteny ary maneho hevitra dia zo fototra sady arovan'ny lalàna nomariky ny fahafahana syny fahamarinana eto amin'ny firenena, koa ambaranay fa ny famefena izany na fanararaotana izany hanimbana ny fihavanana dia fanitsakitsahana sy fahamarinana tsotra izao. Noho izany dia:

Takinay tsy misy hatak'andro ary tsy misy fepetra ny hamelana ny Radio Fahazavana hanao vaovao (Journal palé) sy hamerenana ny fandaharana Ampenjiky ary ny hampitoviana ny fitondrana ireo Radio na Televiziona rehetra, raha misy ny fihoaram-pefy. Ny fisian'ny hevitra marolafy dia fanoitra hampandroso ny firenena.

Takianay ho mariky ny fahafahana sy ny fahamarinana ny hampiasana ny Televiziona sy ny Radiom-panjakana ho an'ny rehetra, milaza ny vaovao rehetra sy marina, tsy mitanila, ho modely amin'ny fanajana ny mpiray tanindrazana sy ny fifanakalozan-kevitra na iza na iza no mitondra ny firenena.

2. Hoy ny Soratra Masina: "Aleo fahendrena toy izay hery" (Mpitoriteny 6: 16a)

Am-pitiavana no iantsoany izay manana fahefana hoe : Atsaharo ny fitondrana ny firenena amin'ny hery fa tena tsy mahasoa ny firenena mihitsy izao! Aoka tsy hatao fomba fiasa sy foto-pisainana hitondrana ny vahoaka ny fampihorohoroana sy fampiasana fitaovam-piadiana hampanekena azy, ny fisamborana sy fanagadrana, izay tsy ahitam-bokatra ankoatry ny lonilony sy fifankahalana. Ny fitondrana miorina amin'ny herisetra dia miafara amin'ny herisetra. Ny tena fahendrena dia mifanakalo hevitra sy mifampihaino ary tsy atakalo tombontsoan'olom-bitsy izany. Io ihany no lalana tokana ivoahana amin'ny krizy sy ny fahasahiranana rehetra.

Noho izany dia hamafisinay etoana ny antso avo efa nataonay ho an'ny:

Miaramila, mba tsy hiandanianareo na amin'iza na amin'iza amin'izao fisarahan-kevitra eto amin'ny firenena izao, ny tsy handraisanareo anjara amin'izay fiehtsika mety hampahory ny vahaoaka, amin'ny maha-olon'Andriamanitra anareo. Ampahatsiahivinay fa nomena fahefana hiaro ny vahoaka sy ny fananany hianareo fa tsy sanatria handika ny didin'Andriamanitra hoe "Aza mamono olona". Averinay indray izany antso izany satria hita tato ho ato fa miditra amin'izany fampiasan-kery izany indray ny firenena ary manana anjara toerana lehibe amin'izany ianareo.

Ny mpitsara mba hanao ny asanareo am-pahamarinana, amin'ny maha-kristiana ny maro aminareo, ka ho aron'ny osa sy ny malemy tokoa. Takianay ny hampitsaharana avy hatrany ny fifanenjehana sy ny fifankahalana, ny valifaty, ka mety hanaovana ny fitsarana ho fitaovana hanatanterahana izany.

Ny vahoaka mba tsy hirona amin'ny fampiasan-kery ka hihevitra izany ho hany vahaolana mety hahomby. Antsoina ny rehetra hahay hifandamina sy hifamela heloka ka tsy hanaiky ampiadiana amin'ny mpiray tanindrazana, handresy ny fironana sy ny fitadiavam-bola fa hanandratra avo ny fihavanana amin'ny maha-malagasy sy maha-Kristiana antsika.

Ny mpanao politika hiverina hifampidinika fa tsy hitondra ny vahoaka any amin'ny lojikan'ny ady an-trano toy izao, sanatria! Ambaranay fa ny fiziriziriana tsy hitady izay hanalana ny firenena amin'izao fahasahiranana manjo azy izao dia efa fanimbana ankitsirano ny firenena. Anterinay ny fahavononanay: hivavaka, hampahery sy hiasa, ho Raiamandreny sy elanelam-panahy ho amin'izany fifampidinihana izany, raha ilaina.

Izao no hafatry ny Tenin'Andriamanitra ho antsika: "Satria izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin'ny asa ratsy isan-karazany. Fa ny fahendrena avy any ambony dia voalohany indrindra madio, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora ifampiraharahana, be famindrampo sady mahavokatra asa soa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy. Izay mampanjaka fihavanana dia mamafy am-pihavanana, ary dia ny rariny no vokatra azony" Jakoba 3:17-18 (Diem)


Farany:

Amin'ny maha-Mpitondra fivavahana anay dia takianay amin'ny herinay rehetra ny hampitsaharana tsy misy hatak'andro ny antsonjay rehetra atao amin'ny fiangonana, toy ny fandrahonana sy fakana ny fananany, fandrarana ny Radio-ny (Fahazavana) tsy hilaza vaovao, ny fandrahonana sy nikasihan-tanana Raiamandrenim-piangonana. Toherinay! lavinay noho ny amin'ny Tompo izany fomba tsy mendrika sy tsy manaja ny fahamarinana izany ary hiantsoanay ny vahoaka Kristiana rehetra hijoro am-pahamarinana, hanohitra izany.

Mijaly loatra ny vahoaka ka tsy maintsy mitady lalana hivoahana amin'izao fahasahiranana izao isika. Asa maro no efa votsotra ka olona maro no tsy an'asa sy mbola ho very asa, iainana ny fifandrafiana sy fankahalana, ny tahotra sy tebiteby,misy anefa ireo tsapa ho mitombo harena vetivety, tsy maty manota. Raha mbola ikirizana izao fomba ratsy izao ary iniana tsy karohina ny vahaolana dia vonona izahay Mpitondra fivavahana hirotsaka amin'ny lalina koa amin'ny fandraisana andraikitra, ho an'ny vahoaka sy ny firenena. Am-panetre-tena lehibe sy am-pahasahiana noho ny fahatokiana ny herin'Andriamanitra no ijoroanay hatramin'ny farany, raha ilain'ny Fiangonana sy ny firenena izany.

Dia hoy izahay Mpitondra fivavahana, hoe :

"Tsy hangina Aho noho ny amin'i Ziona, ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin'i Jerosalema, Mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava" (isaia 62:1)

"RAHA MANGINA IREO DIANY VATO NO HIANTSOANTSO" (Lioka 19:40)

Fa fiadanana amin'ny ahoana moa e?

2009-12-25 @ 22:40 in Ankapobeny

Nandalo izany fetin'ny Noely na Krismasy izany, hono, isika! Dia nifampiarahaba, hono, ny mpifankalala amin'izao andro iray toa zato izao. Mifampirary soa, hono, mba hanana na hahazo ny fiadanana izay rehetra andefasana ny hafatra. Eo amin'ny samy kristiana te-hampiaina ny ventin-kevitra dia miorina amin'ny hoe hitondra fiadanana ho an'ny tsirairay ilay fahatongavan'ny Tompo. Saingy izao ho'aho ny olana : samy manana ny famaritany ny antsoiny hoe fiadanana ny tsirairay; samy manana izay heveriny ho fiadanany ny isam-batan'olona. 

Ao ny mieritreritra fa raha mianoka ao anatin'ny harena izaitratra izy dia izay no antsoina hoe fiadanana. Ao ny misaina fa izy no manankarena indrindra vao atao hoe miadana izy. Ny marary lazohin'ny aretina ny fahasalamany ihany no katsahiny dia mety hahatratra ny fenitry ny antsoina hoe fiadanana izy. Ny mpifatotra rehetra kosa, raha tafavoaka ny fonja izy dia efa fiadanana izay aminy. Ny mpitady vady rehefa mahazo ny tandrifiny vodin-tsobikiny (sa soabika moa no filaza azy?) dia mahazo ny hoe: "He mba sambatra loatra lahy!" Ny mpivaron-drongony, ny mpivarotra toaka gasy, ny mpivarotra paraky gasy sy ireo mpivarotra tsy ara-dalàna rehetra rehefa afa-miasa malalaka amin'ny asa ataony tsy misy mpanelingelina izy, na mandalo eo aza ny mpitandro ny filaminana, toy ny any Ambositra ohatra, dia efa anjara fiadanana ho azy izay. Eo ihany koa ny hoe mba milaoka vorontsiloza amin'ity andro iray ity dia efa karazam-piadanana ihany koa izany.

Etsy ankilan'izany, tsy voatery ho faniriana ho an'ny tena ihany no mety hahazoana ny fiadanana fa amin'ny alalan'ny fifanampiana sy ny fifampitsinjovana ihany koa. Ny ray aman-dreny rehefa mahazo ny kilalao tadiaviny ny zanany sady faly amin'izany, sady mba mitovy amin'ny zanaky ny rehetra rahateo amin'izay lafiny izay dia efa mety hiteraka fiadanana aminy iny izay. Eo amin'ny lafiny fivavahana ohatra, noho ny Soratra manao hoe manao fiantrana isan-joma (ho an'ny Silamo ohatra araka ny fiheverako fotsiny fa tsy fantatro kosa aloha izay tena votoatin'ny lalànany sy ny fombany ka ialako tsiny dieny mialoha) dia manome ny mahantra izy mba hananany ilay fiadanana; ny kristiana indray raha mahatsapa ny hasoan'ny Soratra manao hoe mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray dia rafitra manantanteraka saingy moa ve ny fanaovana izany no mahasambatra sa izay mahatsiaro sambatra no tsara manao izany mba hananany fahasambarana bebe kokoa? Efa mba manana ny valiny ihany aho fa aleo izay efa nandia izay dingana izay ihany no hahatsapa azy. 

Fehiny: tsy ho filozofika be loatra intsony aho fa rehefa mahazo izay irìny iny olona iny dia izay no lazainy fa fiadanany saingy toa mihelina ihany manko izany fiadanana heveriny izany, noho izy miankina kokoa amin'ny fihetseham-po, fa sarotra ny haharetany ho toy ny toetra. Sa izay no mahatonga ilay faniriana hanao hoe : Hitondra fiadanana anie ity andro ity na ny fahatongavan'ny mpamonjy? Sa noho izy mihelina vetivety tokoa no ilazana azy hoe ho krismasim-piadanana no hiainan'ny tsirairay amin'ity andro ity? Koa raha izany ihany no izy, inona ary no manavaka azy amin'ny antsoina hoe revy?

Ka nifaly ve ianareo?

Rehefa mifampirary soa sy mifanatsafa ny olona ka mandeha ny fanontaniana hoe : Ka manao ahoana ny fety? dia mitovitovy hatrany ny valiny, indrindra ho an'ny Malagasy, ka manao hoe manao izay mety eo e! Ny kely ananana no ahiratra. Ny zaza sy ny ankizy no mpamaly hoe mahafinaritra be mihitsy; fa toa voambolana tsy mipololotra loatra amin'ny samy olon-dehibe indray ny toy izany. Ny fifaliana anatin'ny fihaonana noho ny tsy fifankahitana ela eo amin'ny mpianakavy ve moa tsy hisy kosa? Saingy ny fanahiana ny ampitson'ny Malagasy kosa dia manaloka mampatahotra loatra. 

Mihamaro dia mihamaro fatratra manko eo amin'ny manodidina ahy, indrindra ho an'ny ankamaroan'ny tanora latsaky ny 40 taona, ny resy lahatra fa tsy ho vita am-pilaminana intsony ity raharaha politika ity. Ny fitakiana ezahina atao am-pilaminana rehetra dia isedrana herisetra, fanagadrana ary famoretana hatrany. Tsoriko kosa aloha fa tena tsy nankasitrahako velively ny nitarihana ny olona hidina an-dalambe indray nefa tsy misy tetika mazava hampahomby izay atao. Heveriko ho tetika hampandamoka ny tadiavin'ny mpitolona eo amin'ny kianjan'ny ara-dalàna ny hitarihana azy ireny horatraina sy hogadraina ato anatin'ity fety ity hanomezana fahasahiranana ny fianakaviana. Ampangaiko ho ao anatin'ny tetika famonoana ny tolona mandrakariva ireo mpampirisika ny olona ho amin'izany fidinana an-dalambe tsy misy fiarovana ny olona mpanaraka azy akory. Misy aza moa ny mpitari-tolona etsy amin'ny ara-dalàna hatramin'izao no ahiahiako mampivily lalana matetika ny tolona imatimatesan'ireo mpandray anjara mavitrika mankeny satria avy aminy matetika ny kabary fampirisihana "hidirana amin'ny dingana sarotra kokoa". 

Na ahoana na ahoana ihany koa dia tsy mbola nahitako tombony mihitsy aloha ny fiarahan'ny ankolafy Ravalomanana mitolona miaraka amin'i ankolafy hafa. Rehefa todihina ny tantara dia amin'ny vanim-potoana ilazana ho firaisan'ireo ankolafy ireo hatrany matetika no misedra ratra sy fanenjehana ny mpandala ny ara-dalàna. Ny lesoka lehibe indrindra dia ny fifandaminana. Eo hatrany no fanararaotran'ny olon-kafa miditra hatrao anatiny manao gafigafy hanasoketana ny tolona. Fotoana fanararaotran'ny mpanendaka sy ny voakarama hanapotika ny tolona ihany koa ireny hanaovany ny asa malotony. Lesoka lehibe dia lehibe noho izany ny tsy fisian'ny fifandaminana matotra sy ny fahatahorana mifampiavaka ao anatin'ny fidinana an-dalambe. Ny tena zava-doza tamin'ny tany Tsimbazaza tamin'ity herinandro ity dia tsy nisy mihitsy ny lalam-pandosirana raha misy ny tsy azo anoharana nefa efa fantatr'izay nankeny fa ilay tsy azo anoharana no hitranga kokoa.

Eo ihany koa ny fampidirana ho ao anatina fiaraha-mientana iray ny olona noenjehina sy nanenjika noho ny resaka politika (sy foko na fiaviana) tany amin'ny fotoana efa lasa tany. Na ahoana na ahoana dia miteraka fifampiahiahiana izay manalemy tanteraka ny tolona atao ity toe-javatra iray ity. Famotehana ara-toe-tsaina ny tolona ihany koa ny fahaverezan'ny fifampitokisana eo amin'ny mpiara-mitolona. Heveriko, noho izany, fa tonga amin'ny fenitra farany ny tolona am-pilaminana noezahina notandrovina nandritra izay sivy volana izay; nahavita ny adidiny ireo tsy nitandro hasasarana nizotra nankeny Ankorondrano isan'andro ka ao anatin'izany ny raiko izay sambany indray nanao toy izany taorian'ny 1972. Ny zatra mankeny Ankorondrano resy lahatra hatrany amin'ny fanaovana ny tolona tsy misy herisetra, tafasara-kevitra ny amin'izany kosa ireo izay tsy afa-mankeny intsony ka manao hoe aleo ataon'ny miaramila sy izay vonona ny ambiny ka rehefa tsy hanao ny miaramila dia samia mizaka ny fiantraikany avokoa. Ny mpahalala tantara dia lasa miaina mivantana izay fantany tamin'ny raharaha teto Madagasikara tamin'ny 1947 raha mahita izany toe-javatra izany. Indrisy, toa andalam-panatanterahina ihany ilay tetika ampiadiana ny samy Malagasy izay sarotra inoan'ny be sy ny maro hatramin'izao.

Hitako fa na mbola hisy na tsy hisy intsony ny tolona ataon'ny mbola mazoto hankeny Ankorondrano dia efa mihatra ny loza manamban'ny fipoahana ara-tsosialy ary ho zava-doza kokoa eo amin'izay tsy niomana ny finiavana hikimpy manoloana ity loza manambana ity. Hazavaiko kokoa ny resaka : tsy hoe misy ny tetika hampiadiana ny samy Malagasy fa ny toe-draharaha mihitsy no efa vonona indray amin'ny mety hisian'ny fandrobana mampihoron-koditra kokoa noho izay nitranga tamin'ny voalohan'ny taona 2009. Tsy hianona eo amin'izany fandrobana izany anefa ny resaka fa hiitatra amin'ny valifaty amin'izay ary eo no tena zava-doza. Ho an'izay manakarama mpanakorontana hiarovany ny tombotsoany moa dia mety hivadika aminy ihany ny tetika malotony. Nahamarika ihany koa aho tao am-piangonana fa toa tsy mba nolazaina tao ny hafatry ny krismasy iarahan'ny Ray Aman-Dreny lehibe ao amin'ny FFKM sa tsy nisy intsony izany? Dia tsy heno ve izany ilay fanombohan'ny hafatra Pastoraly mpanao hoe :"Ho aminareo anie ny Fiadanan'ny...Tompo"? Sa efa tsinjon'izy ireo hoe aleo tsy miteny izany fiadanana izany nefa tsy hisy akory izany?


jentilisa, 26 desambra 2009 amin'ny 00:45

Handeha hanao raharaha miaramila ny tenako

2009-12-17 @ 00:43 in Ankapobeny

Oadray! fa inona ity nahazo? Fa tsy ianao ihany ve no niteny fa manana andraikitra lehibe amin'ny toerana misy an'i Madagasikara ankehitriny ny miaramila ka inona indray no idikidirana any? Valiny: Fa inona indray moa no isintonako ny masonareo hamaky ny lahatsoratro raha tsy mba miavaka kely ny filazako azy? mazava loatra fa tsy hiditra ho miaramila velively aho fa hira nipololotra am-bavako tampoka tamiko izy io ary entina hilaza aminao fa resaka miaramila indray no resaka atao eto. Marina aloha mazava loatra fa toa resadresahina amina bolongana sy vohikala malagasy maromaro  ity lohahevitra miaramila ity amin'izao fotoana izao, indrindra taorian'ireny fanambarana nataona manamboninahitra vitsivitsy ireny indray. Dia tsy aritro fa hiresaka ny momba azy ity indray aho, na dia saropady aza ny fanaovana izany.


Efa nanao fanompoam-pirenena fa ivelan'ny tafika

Voalohany, anisan'ny tanora afaka baccalauréat (oadray leaza! hay moa tsy nogasiana ity anarana diplaoma ity fa dia vitan'ny hoe baka fotsiny? nefa ilay baka anie ka toa sampan-kazo kely e!) nanao fanompoana ivelan'ny tafika farany indrindra ny tenako (1990). Na dia mbola tao anatin'ny nanana safidy ny hanohy ny fianarana any amin'ny anjerimanontolo avy hatrany aza aho, noho ny mbola fahakelezan-taona tamin'izany fotoana izany, dia nisafidy hiditra SN satria iray amin'ny asa tiako natao mihitsy ny ho zandary fahakely (fa tsy nankafiziko mihitsy ny ho miaramila). Mazava loatra fa efa nikitika izany hoe basy aho, ary tany amin'ny tifitra aza dia bala iray (lasa tsinahy! izay no mahasaropady ny kalachnikov!) ihany no very tsy tafiditra tanaty lasibatra tamin'ny bala valo nomena (hausse 100). Ny bala telo tamin'ireo aza dia tafiditra tanatin'ny boribory afovoany indrindra avokoa. 


Etsy andaniny, azo marihina avy amin'io fa maro tamin'ny tanora nandranto fianarana somary mba avoavo taty aoriana no tsy nanao fanompoana miaramila fa mety ho vitan'ny fitsarana miaramila fotsiny dia nangataka fanemorana fanompoana avy eo raha afaka tamin'izany. Dia heveriko fa tsy niaina loatra izany fiainana miaramila izany ny tanora nandrato fianarana, araka ny fijeriko, afa-tsy ireo izay nanana fironana hanao io raharaha io. Dia tsy mahalala ny revy sy ny fihafiana tanatin'izany ihany koa. Ireo tambanivohitra sy ireo nijanona tamin'ny fianarany tany antenantenany ambany any ary ireo sarangan'ny mpitrongy no tsy manana antony hialana amin'ny raharaha ka dia tafiditra soa amantsara amin'io raharaha io. Mahamafy toto kokoa an-dry zareo izany hiatrika zava-tsarotra. Izay ny mety mahatonga ny ankamaroan'ny olona fa fanadontoana (fa tsy fandotoana velively no tiako ambara) saina fotsiny ny fanaovana ireny miaramila ireny... satria tsy natao hisaina loatra fa natao hanoa baiko kosa. Fitsaratsarana ivelany kosa izany amiko. Fomba fijery mety ho diso no nambarako hatreo ary azon'ny hafa tsikeraina.


Tetikady miaramila

Fa ireny teny fampidirana lavabe ireny no resahina te-hiditra amin'ny tetikady miaramila tsinjoko amin'izao fotoana izao aho. Raha miresaka politika tokony hanana izay tetikady izay mba tsy handaniana hery sy fotoana amin'ny tsy antony ary hita rahateo fa tsy azo hamaivanina velively ity resaka tetikady ity (na tetipanorona raha tiana hadio kokoa ny fitenenana azy) amin'ny toe-java-misy amin'izao fotoana izao. Rehefa tsy manana izany ihany koa dia tsy hisy fanantenana hivoahana ho amin'ny fandresena velively. Misy vitsivitsy somary milahadahatra izy ireo ka anjaranao ny manampy na manitsy na maka tsoa-kevitra amin'izay ambarako araka ny lafin-kevitra misy anao.


Tetikady voalohany ny nanambatambazana ny mpitandro ny filaminana tamin'ny fanondrotana ny karamany (50%) sy ny fahazoany tambin-karama (15%n'ny karama) nolazaina fa hampiharina nanomboka ity volana desambra ity. Zavatra iray nahavariana ahy tao ho ao dia ilay tambin-karama 15%n'ny karama hatrany no naverimberina fa tsy nolazaina mihitsy kosa ilay karama nakarina 50%. Izaho ve no diso fihaino sa ny mpilaza no diso fanonona fa niniana tsy noresahina mihitsy io fisondrotana io amin'izao fotoana izao? Efa taitaitra ihany na dia izany aza mpiasam-panjakana hafa amin'izao fiangarana izao. Raha nisy tao amin'ny tafika indray tafaresaka amin'ny tena dia nanitrikitrika ranamana fa resabe fotsiny izany fanondrotana sy tambin-karama izany fa an'ny sasany angamba hoy ny tenany. Hatramin'izao anefa aho dia tsy mety mino izany fandavany fa tsy mihatra izany fanondrotana izany. Nivoatra dia nivoatra ny toe-draharaha ka tsy fantatra intsony na ho lany andro na ho diso adiresy ny zavatra soratana aloha.


Efa voasoratro ihany moa ny momba io tetikady voalohany io, tokony ho nahomby sy tsara kendry ilay tetikady saingy nivandravandra kosa. Efa maro angamba no mahita fa noho ny fananan'izy ireo basy aman-tafondro no antony ikarakarana azy ireo manokana. Ao anatin'izany aloha ny aroriakan'ny fihoaram-pefy mety hataon'ny olona tsy voafehy ka noho ny nandraisan'ny mpitandro ny filaminana saosy ambonimbony dia kendrena ny hanao ny asany araka ny tadiavina izy ireo. Ao ambadik'izay ihany koa anefa dia misy tahotra ny tafika mihitsy ao anatiny ao. Fantany tsara fa rehefa voafehiny tsara ny mpitandro ny filaminana dia mandry fehizay ny tanàna sy ny seza. Fantany ihany koa fa raha tsy milamina ny tafika dia mihozongozona ihany koa ny sezany na dia tsy mihetsika aza ny vahoaka tsotra. Vao niainana tamin'ity taona ity izany ka tsy ho adino vetivety. Fanangolena mivantana no natao, hany ka nitroatra ny sasany raha mbola nisy ihany manamboninahitra nihoam-pefy nanao fanambarana.


Ny fanaitairana isan-karazany

Efa nosoratako fa manana kinendry ny mpitondra raha nanangoly ny miaramila. Nisy ary ireo nilazana hamita iraka fa toa mihaodihaody ny fahavalo. Ny olana amin'izy ity, ny fahavalon'ny mpitondra no nihaodihaody na saiky hiditra ao amin'ny seranam-piaramanidin'i Morondava sa seranan'i Nosy Be, sa ny fahavalon'i Madagasikara? Efa lasa zava-dratsy koa moa ilay ambara ho fahavalom-pirenena fa rehefa tsy mitovy hevitra amin'ny mpitana fitaovam-piadiana dia tafiditra ho fahavalo izay. Tetika fanomanan-tsaina fotsiny anefa ireo fanaitairana ireo noho ny fikasana hametraka miaramila tao amin'ny governemanta. Ireo "zandry" no tena iantefan'ny fanomanan-tsaina haneken'izy ireo ny hidiran'ny miaramila anaty governemanta na dia efa nifanarahana aza fa tsy tokony idirana intsony ny amin'izany politika izany. Ambarako indray fa mbola fomba fijery ihany koa io.


Tetsy andanin'izay ihany koa dia nanome fitaovana tamin'ny BANI (Base AeroNavale Ivato) ny Frantsay noho ny fiaraha-miasa, tamin'ity herinandro ity. Ny tiana aseho dia hoe tsara ny fifandraisana eo amin'ny roa tonta. Ilay tsy mijery afa-tsy tetikady ao ambadika kosa dia mijery azy ho fanambatambazana mba tsy hikofokofoka amin'ny tsy antony raha sanatria misy ny sanatria. Toby akaikin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena io ka aleo karakaraina. Heveriko ho nahafantampantatra zavatra ny Frantsay raha nanao io fihetsika io sy ny asam-pitsikilovana matanjaka ary izay no hambarako manaraka eo.


Raha hita ho tafiditra tsara tanatin'ny vovon'ny fanambatambazana ary ny "zandry" dia indreo indray mbola nisy "zoky" tsy afa-po ihany dia tsy nahatam-bava fa nilaza ny heviny izay misy idirana politika ihany koa. Ireo manamboninahitra nanao fanambarana tamin'ny 15 desambra tao amin'ny Carlton no tondroiko eto. Efa nisy ny vitsivitsy teo aloha nanao fanambarana tsy niera no voasazy koa nahoana moa no mbola misy an'itony indray nivoaka hanao fanambarana? Dia mitady sazy fotsiny ve izy ireo sa dia manana tetikady ao ambadika ao? Manamboninahitra ambony ireo ka tsy hanaotao foana. Ny zavatra kendreny no manjavozavo amin'ny sarambambem-bahoaka. Ny singa iray manavaka azy ireo dia izao: Ireo manamboninahitra ambony vao nahazo ny galonan'ny Jeneraly dia andiany faha-11 tao amin'ny Akademia miaramila Antsirabe ny ankamaroany. Ireto nanao fanambarana mbola nijanona ho Kolonely ireto kosa anefa, araka ny nambaran'izy ireo dia andiany faha-8 sy faha-9 ary faha-10, izany hoe talohan'ireo vao nahazo ny galonan'ny Jeneraly. Filazana ankolaka izany fa tsy nandeha amin'ny tokony ho ambaratongany ny fampakarana grady.


Resaka fialonana, sa resaka fironana politika sa resaka fiampangana ankolaka ny tsy rariny ao amin'ny tafika ary ve no tena tanjon'ireo manamboninahitra nanao fanambarana tsy niera ireo? Ny fiheveran'ny olona dia fanambarana mikendry ny hisian'ny fikomiana no natao, na fanasaritahana tsotra izao ny fiainana andavanandron'ny mponina amin'izao ankatoky ny fety izao. Dia nihevitra ny olona fa raha hiditra amin'ny lojikan'ny fanasaziana azy ireo ny mpifehy ny tafika dia ahiana hisy ny fikomiana ataona vondro-tafika. Ity vaovao ity aloha dia nifanakaiky tamin'ilay fanomezana fitaovana ny BANI ka mampihevitra fa tian-kangina ity vondro-tafika ity, ary dia niaraha-nahita moa fa iray monja no nanao fanambarana avy amin'ny tafika an-dranomasina sy an'habakabaka. Dia nieritreritra ny tena fa raha manamboninahitra zato monja no miara-manao fanambarana (fa tsy voatery hikomy hifehy toby) na tsy mitondra basy dia afaka mangovitra tsara ny mpitondra sivily sy ny mpitondra miaramila. Saingy tsy any ny kinendrin'izy ireo araka ny fahitako azy.

  
Ny ambadiky ny fanambarana 15 desambra Carlton

Voafafa noho ny antony tsy fantatro loatra ny lavabe efa voasoratro teto ka dia ezahina averina araka izay tadidy sisa na dia mety hiova indray aza ny voasoratra. Efa mahafantatra ny sazy mety hihatra amin'izy ireo ireto nanao fanambarana tsy niera ireto nefa dia nahoana loatra no mbola minia miditra amin'izany fidiran-tsazy izany ihany? Nandray vola tany ho any tokoa ve raha jerena ny toerana nanaovana ny fanambarana? Sa ilazana ampahibemaso fa na inona na inona lazaina dia misy fivakisana tokoa ny tafika? Ny olona dia miandry zava-tsarotra hafahafa kokoa mety hitranga indray ato ho ato. Misy ny fanahiana fa raha voasazy ireto olona ireto dia hisy ny hafa hitroatra tsy hanaiky intsony ka dia hisy ny toby hitsangana iarahan'ireo tsy hanaiky lembenana intsony. Tsy hahombiazana tamin'ilay fandambolamboana ny tafika noho izany ny mpitondra. Manantena zavatra be loatra izany raha izay no andrasana, na dia antoka hitondrana ankolafy tokana ny tetezamita aza ny tafika. Mety tsy hisy idiran'ny politika ny resaka ary tsy te-hiditra amin'izany mihitsy.


Mety ho lasa ihany ny saina mahita ilay fanambarana fampodiana ny ankolafy telo sy fitakiana hanohizana ny fifampidinihana eo amin'ny samy mpanao politika mba hisian'ny vahaolana haingana sy maharitra ary eken'ny rehetra. Io votoaty io dia mamaritra tsara hoe avelao ho an'ny mpanao politika ny politika fa tsy misy tokony itsabahana na hanendrena miaramila manamboninahitra ao anatin'izany. Napetrany mazava tsara fa manaja ny soatoavina miaramila ry zareo manao ilay fanambarana, izany hoe tsy fidirana amin'ny resaka politika sy tsy fidiran'ny resaka politika eo amin'ny sehatra ara-miaramila. Mihamanakaiky ny marina isika rehefa mahita ilay fiantsoana ny foloalindahy hitandro ny tsy fombàna amin'ny atsy na ny aroa. Ny zava-nisy tao anatin'ny volana maromaro manko izay dia nodradradradraina hatrany fa tsy handray fahefana ny miaramila, nefa ankehitriny milaza ho vonona ho amin'izany indray ny sasany. Mety ho eo no tena kinendrin'ny fanambarana.


Tao ho ao dia nalaza tokoa ny fifampiresahina tamina manamboninahitra ambony amin'ny fitadiavana izay ho praiminisitra hasolo izay efa vita fifanarahana. Izay nantsoina toa mandà, ary izay vonona Merina indray. Efa nolazain'izy ireo tamin'ny fotoanan'ny fitadiavam-pifanarahana ireny fa tsy mety raha sady Merina ny filoham-pirenena (filohan'ny tetezamita eto) ka mbola ho Merina indray ny Praiminisitra. Lalampanorenana tsy voasoratra moa io ka manahirana ny miresaka ilay izy... Firenena ve no resahina dia mbola resaka foko no sehatra iresahana azy? Tao anatin'izany ketriketrika hametraka praiminisitra miaramila ,milaza fanekena ho amina ankolafy iray izay no nipoiran'ireto manamboninahitra nanao fanambarana tampoka ireto. Vokany: hatramin'izao aloha tsy mbola voatendry izay ho praimnisitra izay kendrena ho miaramila. Raha tokony ho filoha Miaramila no tsara mitantana ny fitondrana rehefa tsy hifanaraka tsy manaiky izany kosa ingahikely fa tsy maintsy azy ihany ny laharam-boinahitra voalohany. Raha izay fanakanana ny fanendrena praiminisitra miaramila izay ihany no notadiavin'ireo manambonihitra ireo dia nahombiazana izy ireo na dia nandraisana sazy aza izany. Ny ankoatra izay kosa dia sarotra aloha ny hahatanteraka azy ny fijeriko azy hatreto mandra-pisian'ny fivoarana manaraka.


Torohevitra hafa tsara ampitaina amin'ny mpitolona rehetra

Torohevitra ho an'ny mpandala ny ara-dalàna no apetrako aloha, koa hadalany raha tsy mba mihevitra kely amin'izay tokony hatao izy farafaharatsiny rehefa tsy handray ny hevitro ihany. Fero ho isaky ny Asabotsy sy Alarobia ny fotoam-pivoriana eny amin'ny kianjan'ny ara-dalàna fa manasatra ny mpitolona foana. Rehefa misy ny fitokonana faobe ataon'ny mpiasa isan-tsokajiny vao tokony ampitomboina isan'andro ilay tolona. Lasa tsy misy hajany intsony manko ilay hetsika raha reraka ny mpitolona. Ny vavaka atao ihany koa dia tsy tokony hisy fanaratsiana olona fahatany na ankahalainao aza iny olona iny, satria tokony ho ao an-tsainao raha tena mpivavaka tokoa ianao fa tsy henoin'Andriamanitra velively ny vavaka misy fanambaniana olona. Ho tahaka ny vavak'ilay Fariseo (Farisianina hoy ny Katolika Romana) miseho ho masina izany raha miolotra amin'ny vavaky ny mpamory hetra (na Poblikana) niompana tamin'ny fanetre-tenany kosa ny vavaka nataony.


Eo amin'ny fihetsehana an-dalambe kosa indray, raha manam-pikasana ny hidina an-dalambe na hivoaka amina faritra misy fefy ny ankolafy telo amin'ny fihetsehana kasaina hatao dia tsy mazoto loatra ny amin'io aho. Fikasana hanosoram-potaka hatrany ankolafy iray manko ny fotoana tahaka izany ary tokony ho leson'izany ny tamin'ny 11 septambra 2009 teo. Aleo samy manao ny azy ihany rehefa tsy misy sehatra voafefy ho fiarovana amin'ny fihoaram-pefy. Tsarovy fa ho fanararaotan'ny mpangaro-paosy sy ny mpanendaka hatrany ny fidinana an-dalambe ka tsy mahasoroka mialoha izay mety hitranga. Tsy maintsy hisy ny fanendahana an-dalambe hataon'ireo ankolafy manokana ireo raha mbola misy ny fikirizana hanao izany nefa tsy maka fepetra hanohitra mivantana an-dry zalahy mpanendaka ireo. Odian'ny manampahefana tsy fantatra ny ataon'ireny olona ireny fa ianao mpitarika hatrany no hiangonan'ny rihitra avy eo.


Farany :  Aza manantena hiresaka izay noresahin'ny sasany sy nankalazaina fatratra mialoha ny valandresaka avy amina mpanao gazety roa loatra aho fa inona moa no idirako lalina hiresahina ny amin'izay tsy ankatoaviko akory? Tsy mankatò azy aho, noho izany tsy nanaraka mivantana izay nolazainy aho ary tsy miraharaha izay fanapahan-keviny ankoatra ny fiandrasana ny teny hoe "Miala aho" fa izy ve andrasanao hiteny izany? Manonofy angaha?



Jentilisa, 17 marsa 2009 amin'ny 02:48

Isaia mpaminany milaza ny zavamisy ankehitriny

2009-12-05 @ 09:51 in Ankapobeny

Ankamantatra mampihomehy ihany aloha hanombohana indray ity resaka mahafinaritra ity. Ahoana ny fomba hampidirana olona efatra ao anaty videoconference? Valiny: Mialoha ny hanaovan'ny olona telo conférence dia manao video aloha ny iray. Ka ny fiteny mahazatra ny olona eto Dago dia hoe cinema cinema fa ny fantatry ny sarambambem-bahoaka aloha dia video no mora kokoa ny mijery aminy na dia mahatsemboka mampanara- pofona aoka izany aza ao anatiny. Olona tsy mba misaika na mandro manko matetika no tena mijery video eto amin'ny tanàna koa. Fa ny video tamin'ity indray mitoraka ity tsy naseho ny fiara sy ny diam-bala fa resahina am-bava fotsiny. Mba ahoana tokoa ary izany? Niandry ihany ny tena fa he-e-eh niandry vasoka. Misy ihany ireo nanamarika fa nandeha izany ny video resaka baomba sy fanafihana isaky ny handeha amin'izany tanàna antsoina hoe Maputo dia nivadika kely indray ho tifitra tsy henon'ny olona tany amin'ny toerana nolazaina ho nisian'ny trangan-javatra indray no tantaraina.

Fa ny mahavariana amin'ny fomba fitantarana dia ny teo anilan'ny saofera no nokendrena fa tsy ny olona tamin'ny fiara. Izany hoe, hevitro ity, tsy nisy fikendrena an'Ilaikely akory ny tifitra na dia atao hoe nisy aza io trangan-javatra io. Raha ny filoha Ravalomanana dia azo heverina tsara mihitsy ho mipetraka amin'ny seza aloha raha ao anaty fiara fa tsy mbola nahita an'Ilaikely hipetraka amin'ny seza aloha loatra aho. Mazava loatra fa nitovy tanteraka ny hevitro sy ny hevitry ny filoha Ratsiraka. Ny manahirana dia efa nahateny ny azy mialoha ny hamoahako ny hevitro tamin'ny bolongana ny filoha Ratsiraka dia manjary heviny iny, mialoha ny hevitro. Azoko heverina ihany ao anatin'izany fa mba manana fahatakarana tetipanorona tahana ny miaramila manana grady amiraly ihany hay izaho ity. Izany hoe heveriko fa paikan'izy samy ao anatin'ny ankolafy ihany io kitifitifitra na kibaombabaomba io. Aiza ka dia tonga ihany koa ny tsaho fa nisy nitifitra ihany koa ny fiaran'ingahy Jeneraly Sivily tsy menatra ny mametraka saina eo akaikiny rehefa raisim-peo sy alain'ny mpanao gazety sary izy sahala amin'ireny hoe izy indray no filoham-pirenena.


Moov : mbola mitohy ny olana

Dia hilaza aminareo ny zavatra voamariko amin'ity fiseraserana amin'ny alalan'ny moov mandoa sara mialoha ity indray aho. Saiky nisy ny fiovana kely nefa dia niverina indray ny fihisatry ny fifandraisana ny Zoma io. Ankevitry ny mandany 20 minitra hatrany aho nefa tsy mahasokatra takelaka toy ny voasakoany ao anatin'ny 10 minitra taloha. Nojereko amin'izay ny adiresy IP fa raha miovaova ny IP-n'ny mpampiasa aterineto (mpanjifa na client hoy isika) dia tsy miova fa ny laharana 192.168.1.1 hatrany kosa ny adiresy IP-n'ny server manolotra tolotra ho an'ny mpampiasa moov fandoa sara mialoha. Tsy fantatro aloha hoe mahazaka mpanjifa firy io server mety ho tokana ho an'ny manerana an'i Madagasikara io, sady tsy havanana loatra amin'ny reska sahala amin'itony aho fa mba mampahafantatra ny zavatra hitako fotsiny. Aleo ny manampahaizana no hamaly na hanazava amiko fa mba mila fanazavana mihitsy aho.

Ity fehezankevitra manaraka ity dia nasisika rehefa tsy tafiditra an-tserasera aho halina na dia niaretan-tory aza izany. Mikaonty tsara ny faharetam- potoana laniko manko aho. Teo amin'ny fikaontiana ary raha mbola tokony hanana fahefakadiny aho izany hoe eo amin'ny ora efatra latsaka fahefany indrindra no laniko ary handefa ity lahatsoratra ity aho no tapaka antenantenany ny fiseraserana an'aterineto. Miezaka aho ny hiditra fa tsy tafiditra intsony. Azo heverina izany fa ankevitry ny lany izany ny fahana izay tokony mbola hananako fahefak'adiny. Ny solosainako anefa tsy mety intsony raha ilay invite@carte.mg no kasaina hampidirana fahana. Nisy fotoana tany amin'ny cybercafé aho no nampiditra ny fahana, ary mbola nety izany tamin'izany fa izao kosa tsy nety intsony. Nanana olana aho izany ka nitady vahaolana vonjimaika. Mihevitra aho ny hamory izay manana olana rehetra amin'ny moov mba hifandray hidinika ny atao momba ny olana mahazo antsika, aelezo fa aleo mivondrona ny hery, na tena tsy tiako aza dia soratako ihany ny laharam-pindaiko azo iantsoana ahy : 261 33 11 292 52. Raha sanatria moa ka tsy voaraiko ny antsonao dia andefaso sms ihany.[Nisy nanendaka aho ka lasa any ny findaiko sy ny fakantsariko? Tsy afaka antsoina aho izany aloha.]

Fa inona no ambaran'ny lohateny?

Dia izay aho vao mitodika amin'ity natao lohateny, raha mandany fotoana kely isika (io manko no ao anatin'ny perikopa vakiana ao amin'ny fikambanan'ny mpiaramamaky ny baiboly eto Madagasikara amin'izao fotoana izao dia lasa lavitra kely ny saiko. Toa mampahatsiahy ny zavamisy eto Madagasikara amin'izao fotoana izao indrindra manko ilay ao amin'ny bokin'i Isaia mpaminany toko faha-28 raisina eo amin'ny andininy faha-14  ka hatramin'ny andininy faha-18, azo tohizana hatramin'ny andininy faha-22 fa dia afoheziko kokoa ilay izy. Mazava loatra fa misy amboariko kely ny filazako azy, nefa tsy hanimba velively ny hevitra raiketin'ny perikopa aho. Raha hamaky ny tena voalaza ao amin'ny baiboly ianareo dia tsy misy tsotra ankoatra ny mandray baiboly sy ny mamaky azy. Tsy maninona raha melohinareo ho manolana ny tenin'Andriamanitra aho fa ny anton'izany dia mba hifandraika amin'ny zavamisy eto Madagasikara ny resaka ho azon'izay tsy zatra mamaky baiboly rehetra ny tiako ampitaina:


Koa mihainoa ny tenin' YHWH ianareo ry mpivanitika mpitondra ity firenena eto Antananarivo ity.
Fa niteny ianareo hoe efa nahavita fifanarahana tamin'ny FAT, ary efa nifanaiky tamin'ny lavaka (fianjerana)
Ka hanao hoe na hisy aza ny sakoroka, dia tsy tonga aty aminay izany
Fa ampinga maharo anay ny lainga, ary fika fialanay bala ny mamorona videô [fa tsy ampiana hoe conférence]

Fa dia izao no lazain'ny Tompo YHWH
Hametraka vato ao Ziona aho, vato vita fisedrana, vato tsara,
azo atao vato fototra (fehizoro) satria vato tsara orina
Ka izay mifikitra aminy dia tsy ho voahozongozina.

Ny rariny no hataoko tady fanenjanana ary ny fahamarinana ho tsindry lentam-pahefana (ny sary hitako eto dia tahaka ny fitenintsika hoe flesy)
Ho faohin'ny [balan'ny] havandra ny lainga nataonareo hiarovan-tena ary ho lasan'ny riaka ny fika fiafenana.
Hofoanana ny fifanekenareo tamin'ny FAT
Tsy hateza ny fifanarahanareo tamin'ny lavaka fianjerana fa ho potika ianareo rehefa hifofofofo fiavy ny sakoroka

[hatreo ihany aloha]

Araka ny efa nolazaiko dia azonareo tohizana hatramin'ny andininy faha-22 io natsahatro tamin'ny andininy faha-18 io fa sao dia lazaina ho masiaka loatra aho raha manohy ny filazana azy. Azo fehezina amin'ny fomba fiteny malagasy manao hoe: "manao azy ho tratry ny aloka, kanjo tratry ny alok'akoho" io teny nomen'i Isaia mpaminany tamin'ny mpitondra firenena tsy miraharaha izay hatahoran'ny olona.


jentilisa 05 desambra 2009 amin'ny 01:46

Tolona koa ny fanaraham-baovao

2009-11-30 @ 22:44 in Ankapobeny

Voalohany, tao anatin'ny herinandro latsaka teo ho eo dia hitako nihaniadana ny halakin'ny fiseraserana amin'ny aterineto fampiasako. Moov itony fandoa sara mialoha itony no fampiasako mandra-piandry izay mety hahafa-po ahy rehefa tena miasa ny Hosina (cable na fibre optique) ka mivoatra tokoa ny tontolon'ny serasera, izany hoe sady mihamora takatry ny besinimaro ny sarany no mihahaingana ny fahazoana soratra fototra (donnée). Mazava loatra fa vokajiko tsara sy raisiko naoty avokoa ny fandaniana ataoko hamantarako ny fotoana hampidirana fahana vaovao indray. Tsikaritra tsara noho izany, fa raha nahafapo ahy, izany hoe nahafahako nanangona  fotsiny ny vaovao avy amin'ny vohikalam-baovao malagasy sy bolongana mpivoy hevitra mifandraika amin'ny zavamisy eto Madagasikara ny folo minitra teo alohaloha teo dia tsy ahavitako ny toy izany intsony amin'izao fotoana izao fa sady manafosafo ny 20 minitra no sarotra vao miseho endrika ny ankamaroan'ny vohikalam-baovao mety ho tsy ampiantranoan'ny server eto Madagasikara (sady amin'ny moov koa angaha).


Tsikaritro manokana fa miandry amina minitra avokoa vao miseho tsara ny vohikala mpanome vaovao malagasy iray. Misy aza any amin'ny fito minitra any vao tafavoaka ny takelaka fidirana iray. Ny tena tratran'ireo toe-javatra ireo dia ireo atao hoe manana fahaleovan-tenany ihany amin'ny famoaham-baovao satria tsy mandoka loatra ny eo amin'ny fitondrana izy ireo. Fa ny miavaka indrindra amin'ireo rehetra ireo dia ny vohikala iray niorina am-bolana izao mpanohana ny FAT (Actumada) fa toa tsy manisa segondra aza dia tafasokatra avy hatrany. Ny tahaka ny an'io farany io angamba no fisokatry ny takelaka any amin'ny tany mandroso any, hoy ny eritreritro. Fahoriana tanteraka kosa izany hijery ny vaovaon'ireo vohikalan'ny gazety iraisam-pirenena (tandrefana) miresaka Madagasikara fa ampolony minitra no isaina vao tafasokatra azo vakiana ny soratra fa ahato kosa (stopper) izy tsy hamoaka sary sy dokambarotra fa manjary sintoniny hatrany ny fakana soratra fototra (donnée). Ilay soratra fototra moa dia araka izay fahazoako azy no lazaiko ka ahitsio aho raha misy tsy mety ny filazako azy.


Manangona vaovao fotsiny no lazaiko eto satria mpanara-baovao ny tena no ilaiko ihany koa izany horaiketina tantara amin'ny fotoany dia efa manahirana aoka izany ny mahazo azy eto Madagasikara. Tsy misy fanakanana na sivana mivantana izany fa dia lasa mandany vola kokoa aho rehefa ela kokoa ny fotoana iseraserako. Na izany aza dia manahirana ihany ny ataon'ny Mpanome Tolotra Iseraserana (fr: FAI) manao izay tiany atao amin'ny fitadiavam-bola ranofotsiny fa toa tsy miraharaha loatra ireo mpampiasa aterineto efa zatra. Ny dokambarotra fotsiny no atao mipoapoaka fa ny fikarakarana ny mpampiasa ny tolotra tsy raharahiana akory. Angamba mila fikambanana mpiaro ny zon'ny mpampiasa aterineto, hiteny ny ataon'ireto orinasa Mpanome Tolotra Iseraserana ireto fa ry zareo indray no manelingelina ny zo hahalala vaovao.


Olana iray ahy manokana aloha, tsy fantatro manko na izaho irery no tratran'ity olana ity na ahoana fa mba manontany ny hevitr'ireo mpampiasa moov mandoa sara mialoha aho, fa misy tahirin-kevitra iray mba tiako alaina izay ao amin'ny lahatsoratr'i Achille 52 ao momba ny bolabola (bois de rose) fa tsy mety mahazo azy io mihitsy aho. Raha eo ho eo amin'ny 4.7 MB eo no lazaina fa vesatr'ilay tahirin-kevitra tiako sintonina dia eo amin'ny 1.2MB eo foana dia votsotra ny fitrohana ilay tahirin-kevitra, noho izay dia tsy mahasokatra ilay tahirin-kevitra mihitsy aho. Averiko indray fa mety ho olana ahy manokana ity noraisiko ohatra ity, nefa dia te-hanontany indrindra ny hevitry ny hafa mipetraka eto Madagasikara mampiasa Moov aho.


Mbola vao maka vaovao fotsiny no ambarako aminareo fa ny manome vaovao, indrindra fa ny mamoaka sary ihany koa dia mbola tantara hafa mihitsy. Tsy fantatro aloha ny any an-kafa any, fa tamin'ny mbola azoazo aza ny fiseraserana no namoahako ireny sariitatra maromaro ireny fa lazaiko anareo fa maherin'ny atsasakadiny (mba tsy ilazako hoe adiny iray latsaka fahefany) no namoaka azy ireny fotsiny. Izany matetika no mahatonga ny tena ho kamo hamoaka sary na dia mba mety hisy ihany aza ny azo avoaka. Dia hevero amin'izany ry mpamaky hajaina ny tolona ataonay te-hahalala vaovao sy te-hampahalala vaovao ihany koa. Saingy noho ny fitiavana manko no anaovana izany, avoaka ny marina sy ny zavamisy fa avoaka ihany koa ny hevitra.


Sao mba fitahiana ilay fikatsoana?

Aza mora tezitra fa saino tsara ny zavatra soratako aloha. Mety ho gaga ny maro nefa izay mihitsy no sainiko. Tsy mety mifanaraka mihitsy ny efa-tonta amin'ny fandrafetana ny governemanta sy ny andrim-panjakana hafa. Lasa indray ny saiko manao hoe sao dia izay aloha no mety sy tsara amin'izao fotoana izao? Misy manko ny mifikitra hitantana ny zava-drehetra saingy tsy mety tontosa na tsy mety eken'ny hafa hatrany amin'ny sehatra iraisam-pirenena izany. Dia velom-panantenana ny tena fa tsy very toky. Nahoana tokoa moa no terena hiasa ny mpankahala sy ny ankahalaina, ny nandroba sy ny voaroba, ny mpanangana sy ny mpandrava? Fa eto ihany koa no mifampitady ny hery sy ny diplaomasia.

Amin'izao fotoana izao dia tadiavina mafy ny hitantanan'ny sasany samirery ny firenena ary tsy tapaka ihany koa ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa kadradradradraina mafy ho toy ny loza mihantona ho an'ny Malagasy izany fahatapahan'ny fanampiana sy ny tetibola iarahamiasa izany. Ataoko fa raha nahavita tena samirery ny tao amin'ny FAT tokony tsy nifampiraharaha tamin'ny ankolafy hafa na oviana na oviana. Toa izay no tiany aseho amin'izao fotoana izao nefa voatery nifanaraka tamin'ny hafa ihany tany Addis Abeba sy Maputo. Mbola manahy zavatra hafa mihitsy aho eto. Ny fanahiana mazava ho azy tsy voatery ho marina saingy tamin'ity taona ity moa dia zavatra nihoampampana noho ny fanahiana hatrany no nitranga, ka dia matahotra aho.

Manahy aho fa iniana atao ny mampitarazoka ny zavatra rehetra, indrindra fa ireny misy fiaraha-miasa fitrosana ireny, hanehoana fa tsy maintsy hikoropaka ihany ny firenena lehibe mihevitra ho mitana ny ankamaroan'ny vola tadiavina. Mifanenjana amin'ny Amerikana sy ny vondrona Eoropeana araka ny fanahiako ny fitondrana FAT amin'izao fotoana izao ka izay iray milefitra eto. Raha milefitra ny firenena voalazako ireo dia hibata fandresena lehibe ry zareo. Fa raha tsy mety milefitra kosa ny Amerikana sy ny Eoropeana, ka tapaka tarangana ny fanampiana, dia azony atao tsara amin'izay ny miala... nefa misy tetika goavana hatrany ao ambadik'izany. Miala izy tsy noho ny fitakian'ny olona fa miala izy rehefa potika tanteraka ny toe-karena ary maizina tanteraka ny ho avy, ka izay misolo azy io no tena iangonan'ny rihitra rehetra, izany hoe mizaka ny tsy fisiana rehetra... dia afaka hitabataba ihany koa ry zareo fa tsy mahavita na inona na inona ihany koa izay nihevi-tena hisolo azy ary mbola mieritreritra ny hibata fandresena ihany koa izy ao anatin'izany. Eo ihany koa anefa ny fiheverany fa eo ampelatanany ny hery ka tsy hisy ho afa-manao na inona na inona eo raha mbola izy koa no mitondra, no tsy hisy hafa afa-mitoondra ankoatrany eo.

Fehiny: aza heverina ho fahadalana mihitsy izay ataon'Ilaikely izao (tsy hanonona ny anarany manontolo mihitsy aho tsy hahabe fanononana ny anarany amin'ny aterineto) fa hevero fa misy fanomezatoky azony na paika henjana tsy noeritreretintsika noho ny fitabatabana mialoha ataontsika hatrany fa fahadalana sy hakelezan-doha na fifikirana amin'ny seza fotsiny no ataony amin'izao fotoana izao. Izany hoe eo hatrany ihany fomba fiteny an'ny mpanjanatany hoe "Il ne faut jamais sous-estimer l'adversaire" fa io hatrany no efa nahavoa hatramin'izay. Na iza na iza tsy mahafantatra marina izay tena ketrehiny amin'ny farany na tanjony farany ankoatra ny tenany fa raha fantatsika izany tokony ho hay ny mamaha ny olana. Matoa kosa toa tsy mety taitra amin'ny zavamisy izy amin'izao fotoana izao dia mbola hitany fa tsy fantatsika ny tena tiany ahatongavana. Mety ho fotoana fotsiny, na ora na andro no andrasany ka tsy tokony hampitoetoetra antsika foana. Mba hitanareo mikaro-bahaolana ve izy? Efa nanome sosokevitra hanohizana ny asan'ny minisitra voatendry teo aloha anie izy e! Koa samia mandinika tsara sao mbola diso paika hatrany isika amin'izao fotoana izao.


jentilisa, 01 desambra 2009, amin'ny 00:47

Fa inona no ao ambadiky ny fanambarana miaramila?

2009-11-25 @ 21:56 in Ankapobeny

Tsorina aloha fa nantenain-kanirina ny tafika vao nampivandravandra. Eo am-piketrehana ny hanoratana atao hitam-bahoaka ny hafatro na fiangaviako amin'ny tafika aho no nitsahatra indray rehefa nahita tamin'ny gazety fa nisy fivoriana miafina nataon'ny manam-pahefana ambony ao amin'ny miaramila. Mahafantatra tsara aho fa ry zareo no tena manam-pahefana eto amin'ity tanàna ity fa tsy izay milaza ho mpitondra amin'izao fotoana izao. Nihevitra ihany aho fa manana fieritreretana afaka ny mamakafaka ny zavamisy amin'izao fotoana izao ireo ao amin'ny tafika ireo. Nihevitra aho fa tsapan'izy ireo ny fitarazohan'ny raharaha ka mba handray ny andraikiny amin'ny famahana araka izay haingana izao fiziriziriana misy izao. Nitsimbadika tanteraka anefa ny raharaha rehefa nanao ny fanambarany ny Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika Malagasy ny alarobia 25 novambra 2009. Nanipy ny baolina tamin'ny mpiandraikitra ny fitandroana ny fiambenana ao amin'ny prezidansa sy ny primatiora ry zareo, izany hoe amin'ny Lt-Kln isany Lylison René de Roland sy Charles [Martel?] Randrianasoavina no nanankinana manontolo ny fanendrena izay ho mpiambina avy ao amin'ny tafika ny olom-panjakana Malagasy.

Misy hafetsena lalina dia lalina hanomezana vahana manokana an'i Andry ao anatin'izany rehetra izany, satria manahy ny mpiambina nalaina hiambina nefa tsy nahazo alalana avy amin'ireo olona efa nanana ny lazany tamin'ity taona 2009 ity fandrao voaroaka amin'ny asany ka ny hany fahendrena dia ny mody any an-toby miaraka amin'ny fitaovany. Manana ny fomba fijeriny ny miaramila fa dia mahavariana loatra raha karazandrazan'ny manampy olana hafa indray no ataon-dry zareo fa tsy mitady vahaolana hampanekena ny rehetra tamin'izay tapaka teo amin'ny mpanao politika nifandamina hiara-mitantana ity tetezamita ity. Mety ho eo ny fanahiana fandrao ho tonga amin'ny tena ihany ny sazy noho ny fanonagam-panjakana izay natao, sady ny hita tamin'ny sary rahateo dia tena ireo nandray anajara mivantana sy lohalaharana tamin'ny fanonganam-panjakana mihitsy no tazamaso nanao ny fanambarana. Efa nanao ny safidiny aloha izany ry zalahy ireto nametraka ny "fanendrena" hiambina ny olom-panjakana amin'ny "mazandoha" amin'ny tafika. Rariny tokoa raha tokana hatrany ny fibaikoana ao amin'ny tafika nefa ny fijeriko azy dia diso lalana tanteraka ry zalahy. Nanampy tosika tamin'ny fiziriziriana sy ny tsy fatahorana handrava ny asan'olona an'hetsiny miankina amin'ny AGOA izay Amerikana mba handraana tanteraka ny toe-karena malagasy hiankin-doha tanteraka amin'i La Frantsa, indrisy...!

Satria efa ny hany mahazo manao fanambarana amin'ny alalan'ny tafika malagasy no nanambara fa i Andry no filoha faratampon'ny tafika sy namindra ny fanendrena izay hiambina ny olona ao amin'ny andrim-panjakana rehetra amin'i Charles sy Lylison dia enga anie tsy hisy fanambarana hafa hivoaka tampoka avy amin'ny olona mety ho afaka manao ny fanambarany ihany koa sady manana ny fahefana hanao izany. Enga anie izany hampiravona ny olana rehetra misy amin'izao fotoana izao fa raha tsy izany kosa no hitranga dia tokony hizaka ny vokatr'ireny fanambarana nataony ireny ny tafika malagasy. Koa dia samia mizaka avokoa fa izahay efa am-bolana no mahatanty ny zavamisy ankehitriny matoa mahasahy milaza ny hevitray hatrany ary tsy menatra amin'izany sy amin'ny tantara, ary enga anie ho tsara kokoa noho ny taloha ny fankalazana ny krismasy sy ny taombaovao amin'ity taona ity. Farany: mahay mihitsy ny mpanao tetipanorona amin-dry zalahy ireo matoa nahatafita hafatra nialoha ny hisiana fanambarana fampitandremana ireo mpitantana ny ankolafy mifampiziriziry.  Fa izahay kosa mbola mino ilay tarigetra manao hoe :"Ny hery tsy mahaleo ny fanahy!"


jentilisa, 26 novambra 2009 amin'ny 00:02

Tandindonin'ny ady an-trano?

2009-11-24 @ 11:36 in Ankapobeny

Marihina dieny mialoha fa raha miresaka ady an-trano aho eto dia tsy maniry ny hisian'izany mihitsy eto Madagasikara. Mitaratra kosa ny zavamisy eto Madagasikara sy manerana izao tontolo izao (izay firenena nisy fanonganam-panjakana) aho ka manahy dia manahy ny hisian'ny ady an-trano ambolen'ireo mahazo tombotsoa amin'izany.

Nampisaina lalina ahy hitodika tsara tany amin'ny 26 janoary 2009 (andron'ny fandrobana) indray ny toe-draharahan'i Ejipta sy Alzeria nandritra ny lalao baolina fandaka tamin'ny herinandro lasa iny. Nadikako ho amin'ny teny malagasy mihitsy moa ny lahatsoratra mitantara izay tsy ambaran'ny haino aman-jery mahazatra loatra tamin'iny raharaha tsy baolina fandaka intsony iny. Hitako tao anatin'izany fitantarana izany fa nentina manokana tamin'ny fiaramanidina maromaro ny jiolahimboto Alzeriana tsy mpijery baolina mahazatra, handrava tsena, hampihorohoro ny tanàna, hamono izay Ejipsiana hitany fa tombony ho azy ireo fotsiny ny manatrika ilay lalao izay nandresen-dry zareo ihany koa. Mariho tsara ilay hoe fiaramanidina an'ny miaramila no nitatitra ireo jiolahimboto ireo. Manahy aza aho fa miaramila ihany ireo nampihorohoro ireo matoa miaramila Sodaney 15000 aza tsy nahafehy an-dry zareo. Moa tsy azo sainina ho nisy tahaka izany koa ve teto Madagasikara tamin'ireny 26 sy 27 janoary 2009 ireny? Hita any amin'ny gazety (Taratra sy Tia Tanindrazana) indray fa mbola mitaky ny valin-kasasarany ny "miaramila amperinasa teo aloha" na "rezervista tanora" nametraka ny tetezamita amin'ny toerany. Nojereko tsara indray mandeha fa nisy kamiao tsy an'ny miaramila (noho ny lokony fotsy ary heveriko ho nitondra ireo fitaovam-piseraserana azo nentina tao) nivoaka ny RNM sy ny TVM tamin'iny andron'ny 26 janoary iny rehefa nanomboka may ireo tranom-panjakana roa ireo.

Manaraka izany, efa hitahitantsika eny ihany koa ny adin'ny "mpanjaka" eo amin'ny samy Antakarana amin'izao fotoana izao. Navoakan'ny gazety iray indray koa fa bokon'hozatra maro dia maro no notaterina tamin'ny kamiao ka nanafika ny zomba sy ireo tao anatiny. Ny olana amin'ity raharaha iray ity dia noho ny fomba fanomanana ny tsanga-tsaigny nokasain'ny iray hotontosaina  amin'ity herinandro ity fa izay mahatsangana ny saina amin'ny fomba rehetra manko no hekena ho mpanjaka. Efa tsy dia nahazatra loatra angamba ilay fifanafihana nisy noho ny marimaritra iraisana nahazatra ny mpiray foko nefa toa ao anatin'ny "fanao" ilay hoe amin'ny fomba rehetra. Karazana kilalao ratsy ihany izy ity ary ny tena manahirana dia ny nitsabahan'ny fitondrana foibe tamin'ity raharaha iray ity. Mety ho resaka politika no antony ambadik'ity raharaha ity nefa mety hisy ihany koa ny lafiny vola mety mandehandeha ao anatiny (fampanofana tany sy ny tombontsoa mifandraika amin'izany). Mariho tsara indray fa mbola tafiditra mpikarama an'ady ihany koa ity raharaha iray ity.

Mampanahy ihany ny ataon'ny mpitia baolina lavalava sasantsasany satria tsy mahazaka resy mihitsy ry zareo hany ka manapaka hatrany ny fizotry ny lalao. Soa aloha fa tsy tonga hatrany amin'ny gidragidra tambambe tamin'ity indray mitoraka ity. Ny manahirana aminy dia ny lonilony ao amin'izy ireo rehefa resy ka mora entim-po. Mora tarihina amin-javatra tsy azo visavisaina manko ny olona tahaka ireny, nefa ny tena tsy mifanalavitra amin'izy ireo ihany koa ka sao mipitika aty aminay ary ny rà hoy ny fomba fitenenana izay. Fa enga anie ny hamisavisana ny ratsy no hihavian'ny soa. Ny tena mahakamo manko dia enjehina am-pitenenana hatrany aloha ny mpanohana ny ankolafy ho sakana hatrany amin'ny fampandehanan-draharaha misy amin'izao fotoana izao. Ilay resaka manko tsy ilay olona mpitarika intsony no enjehin'izy ireo na haratsian'izy ireo sy melohin'izy ireo fa ireo mpanaraka ihany koa. Eto aho no miteny fa tsy mitondra mankaiza mihitsy ny fifandrahonana ambava mety hitondra mankamin'ny fifamonoana eo amin'ny samy mpanaraka ny andaniny syny ankilany satria tsy mipaka velively any amin'izay naniraka ny faharatram-po mety ho teraka avy amin'izany.

Mivadika indray ny resaka eto, manahirana ahy ny mbola andrenesana ireo minisitra teo aloha, miresaka ny amin'ny asany izay efa tokonyho fampandehanan-draharaha tsotra sisa. Ny tena tsy ankasitrahako dia ny mbola hakan'ny mpanao gazety resaka amin'ny maha-minisitra azy ireny hatrany. Karazany fanakorontanan-draharaha sy fampisavorovoroana ny fiaraha-monina amiko ny fanaon'ny mpanao gazety manontany azy ireo amin'ny mahaminisitra azy ireo izay. Maninona moa raha mampitandrina ny manao gazety rehetra hoe ireo izay mitonona ho minisitra rehetra dia efa tsy tokony ho minisitra intsony ary tsy mba manaja tena manao taratasy fialana na filazana ampahibemaso fa fampandehanan- draharaha sisa no atao mandra-piavin'ny tokony ho governemanta iraisana. Karazana etika no apetraka amin'ny mpanao gazety tsy hanontany ireo olona ireo amin'ny maha-minisitra azy intsony. Heverina ho fanakorontanam-bahoaka ny mbola finiavana manontany azy ireo amin'ny raharaham-panjakana izay tsy tokony hanaovan'izy ireo filankevitra na fanapahan-kevitra ao anatin'ny minisitera intsony.



jentilisa, 24 novambra 2009 amin'ny 13:45

Sariitatra politika

2009-11-18 @ 11:17 in Ankapobeny

Ireto sary anaraka ireto dia nofantenakoavy amin'ny gazety Tia Tanindrazana avokoa hanehoana amintsika fa azo ihomehezana tsara mihitsy ny raharaha politika misy eto Madagasikara. Sary diso fito no misy azy fa izaho kosa manao azy ho kisarisary na sariitatra politika. Raha maharabaovao ianao dia  hitokelaka tokoa. Mety hisy anefa ny tsy hahazaka koa ialana tsiny mialoha.

 


 
marihiko hatrany fa an'ny gazety Tia Tanindrazana ireo fa mba nataoko hampihomehy anao mpamaky. Tsy leo politika velively izahay fa tozoinay hatrany izany. 

 

Mianatra mijoro (Apprendre à s'affirmer)

2009-11-16 @ 16:43 in Ankapobeny

Taranja iray mba mahafinaritra ahy ny Saikolojia (psychology) na dia tsy hitako aza indraindray izay atsimo sy avaratra aminy. Misy ihany anefa ny kaokany tafajanona tamin'izay boky maro sy seminera natrehina izay.Ny fifandraisana amin'ny olona moa no tena nifantohana haminavinana ihany koa ny toe-tsain'izay miresaka amin'ny tena. Tsy very anjara mihitsy ity Saikolojia ity amin'izao fotoanan'ny krizy izao. Toe-javatra mety ho bitika na tsy tsikaritsika akory no tiako isarihana ny sain'ny mpamaky eto amin'ity hoe mianatra mijoro ity.


Ifandroritana fatratra ny minisitera amin'izao fotoana izao indrindra fa ireo lazaina fa minisiteran'ny fiandrianam-pirenena. Misy ireo voazara fa ny tena ifampisintonana, ankoatra ireo minisitera heverina ho mpampidi-bola, dia ny minisiteran'ny fitsarana sy ny minisiteran'ny atitany. Ny minisiteran'ny fiarovana, ny filaminana anatiny moa dia noheverina tsy hokitihina mihitsy izay efa eo; araka ilay nolazaiko hoe ry zareo mpitandro ny filaminana ao ihany no manapa-kevitra amin'ny raharahan-dry zareo fa tsy hanaiky izay tolo-kevitra na fanendrena avy amin'ny sivily mihitsy ry zareo. Mbola tolona hafa no hatrehina amin'izy ireo ary ho lavitr'ezaka sy tsy mora velively.


Manaiky atao fitaovana fa tsy mahatsapa ny fahefany

Iadiana fatratra ny minisiteran'ny fitsarana, satria araka ny efa hitantsika dia fitaovana entina manakana ny mpifanandrina amin'ny tena tsy hirotsaka amin'ny fifidianana izy, indrindra araka ny hita amin'izao fotoana izao. Izay no nahatonga ny fifanarahan'ny ankolafy Ravalomanana sy ny ankolafy Rajoelina hoe ifanarahan'ny roa tonta sy tsy avy amin-dry zareo (ary tsy mitongilana fahatany) no tsara mitantana io minisitera iray io. Mazava tsara aloha izany, hatreto, fa mbola mihevitena ho mpiasam-panjakana hatao fitaovana ny ankamaroan'ny mpitsara fa tsy manana eritreritra hoe fahefana afaka ny hahaleo tena tsy hobaikoan'ny fahefana hafa. Olana iray manimba io fitsarana io ihany koa ny fanjakazakan'ny kolikoly ao amin'io "fitaovam-panjakana mpanatanteraka" io. Nahavalaketraka ny olona toa anay ny nahita ny hamaivan'ny onitra ampandoavina ireo nanao fanondranana ny harena sarobidin'i Madagasikara (bolabola na bois de rose ho antsika efa mihorirana ho frantsay) izay kely noho ny tokony ho sara aloan-dry zareo. Ny filazana ny "fanafahana noho ny fisalasalana" moa dia toy ny fampirisihana ny hafa hangalatra mihitsy satria "efa ho lany ihany ny paiso an-kady".

Olana iray hafa ihany koa ireto lazaina ho mpahay lalàna eto amin'ny firenena sy mpampianatra amin'izay mihitsy nefa dia tsy menatra ny manao dika vilana, na manaiky ny fandikana vilana ataon'ny hafa te-hampanjaka ny heviny fotsiny. Tetika fanamarinan-tena sy fihatsaram-belatsihy no tena imasoana fa tsy ao mihitsy ilay fahasahiana mijoro milaza ny tsy mety, noho ny tahotra basy sa sao miantraika amin'ny vady aman-janaka ny fijoroana amin'ny marina? Sa matahotra no holazaina hoe mpanao didy jadona raha milaza tsy amin-tahotra izay tokony ho izy?


Misy lazaina ho fandeferana nefa tsy fahaizana mijoro

Iadiana ihany koa ny minisiteran'ny atitany, satria ity minisitera ity no kitro ifaharan'ny fifidianan-ko avy rehetra. Mbola ny ankolafy Ravalomanana sy ny ankolafy Rajoelina ihany no nifandramatra tamin'ity minisitera iray ity. Nifanekena avy eo fa ny ankolafy Zafy no handray ny fitantanana io minisitera iray io. Izaho manokana dia nieritreritra fa tena fanapahan-kevitra mety tokoa ny nanolorana ity minisitera ity ho an'ny ankolafy Zafy Albert. Mba samy afaka mieritreritra avokoa ny roa tonta niady fo tamin'ity minisitera ity fa misy kazaram-pahamarinana tokony ho voatandro ihany ilay safidy, raha mahasahy sedra ny safidim-bahoaka tokoa ireo milaza fa manana ny maro an'isa eto amin'ny firenena.

Kanjo, rehefa tonga teto an-toerana indray dia mbola niady hahazo ity minisitera ity indray ny ankolafy Rajoelina. Miampanga tena ho tsy matoky ny hamaroan'ny hifidy azy izy araka ny fijeriko raha nitady handrapaka indray ity minisitera ity ankoatra ny vola mety ho katsahiny ao anatin'ny fanomanana ny fifidianana. Mikendry izy fa be fandeferana ny ankolafy Zafy Albert, ka niady varotra tany ry zareo. Mihevitra ihany koa ny mpanongam-panjakana fa lasa ny ankolafy Zafy Albert sy ny ankolafy Rajoelina no hifampiady varotra amin'ity minisitera ity ka tsy ao an-tsaina intsony fa manara-maso tsara izay fandehan'io minisitera io ny ankolafy Ravalomanana. Fahadisoana fa tsy fandeferana no nataon'ny ankolafy Zafy Albert raha nanaiky hamela ity minisitera ity hotantanin'ny mpanongam-panjakana. Eo no miditra ny lohateny satria tsy nahay nijoro ny ankolafy Zafy Albert. Lasa toy ny vatobe taingenam-borona ka rehefa tsy miteny dia angereny (tokony ho teny madio itony teny itony fa tsy teny maloto velively saingy noho ny fitaizana tandrefana moa...!)

Koa tena fampianarana ny rehetra hahay hijoro mihitsy ny nataon'ny ankolafy Ravalomanana raha nanambara fa misy ny minisitera efa voatendry tany Addis-Abbeba tsy mila iverenana intsony, na iadiana varotra indray. Tsy azo ekena velively ny fikasana na ny handraisan'ny ankolafy Rajoelina ny minisiteran'ny atitany. Tsy ny manana zo handefitra tsy handray ity minisitera ity velively ny ankolafy Zafy Albert fa tena adidiny tanteraka io. Tsy azony atao ny manilika azy amin'ny ankolafy hafa (indrindra fa ny ankolafy Ratsiraka) ity minisitera ity. Ny ankolafy Ravalomanana sy ny ankolafy Rajoelina manko no nifandrombaka ity minisitera ity ka ny itantanan'ny ankolafy Zafy Albert azy no antoka tsara indrindra amin'izao fotoana izao.


Hisy ve ny komity mahaleo tena?

Mety hisy ny hilaza hoe ka efa komity mahaleo tena anie no hitantana ny fifidianana. Izaho manokana mieritreritra fa mbola lavitry ny afo ny kitay amin'io komity mahaleo tena io. Heveriko fa ny fiaraha-monim-pirenena no tokony ho lohan'izany komity mahaleo tena izany saingy ilay fiaraha- monim- pirenena eto amintsika efa misy fironana mampieritreritra be ihany sady amin'ny ankapobeny dia avy amina fiangonana matanjaka iray no fiavian'ny ankamaroan'izy ireo. Nanana laza ratsy ho nandray anjara tamin'ny fanonganam- panjakana teo anefa ny lohandohan'io fiangonana io sy ny olobe tao aminy ka mbola mety hiteraka ahiahy hafa indray. Manana adidy mavesatra izy ireo noho izany hampiverina indray ny fifandraisana mody lazaiko hoe marefo dia marefo na dia efa tapaka tarangana mihitsy aza amin'izao fotoana izao.

Fehiny: Be loatra ny fanasana atidoha amin'ny tokony handeferana nefa tsy ampiharina ny fifandeferana (azonareo tsara ve ny tiako lazaina? ny rehetra ny mifandefitra fa tsy ny sasany no hoterena handefitra) ka lasa noadinoina fa misy ny zo tsy maintsy tandrovina satria adidy mampijoro ny fifandanjana sy fimirana lenta izany. Tsy mila manaratsy olona velively amin'izay fianarana mijoro izany (na maneho ny maha-izy ny tena izany) ary tsy mila manambany ny hafa ihany koa. Ireo mpanaratsy sy mpanambany olona dia manao fitaratra ny tenany ihany ka mody manilika ny kilemany amin'ny hafa.




jentilisa, alatsinainy 16 novambra 2009, amin'ny 18: 48

Pilote sy Copilote ahoana indray e?

2009-11-10 @ 22:48 in Ankapobeny

Mbola tsy mitsahatra tsy akory ny momba ity président sy coprésident ity. Mpanara-baovao ny tena ary mba manana hevitra ny amin'ireny kisangisangy mivoaka ireny ihany koa. Nahatsipalotra ny sariitatra (caricature ho antsika zatra kokoa ny teny frantsay) nivoaka tamin'ny gazety l'express de Madagascar nivoaka io talata 10 novembra 2009 io. Ny mpilaza moa dia niteny fa fanarabiana ny mpanohana sy ny mpanaraka ny firehana Ravalomanana indray izao no angadin'i Elisé Ranarivelo. Tsy maninona io fa samy manana ny heviny. Misy koa ny gazety tena mahay manao sariitatra fa mahatamana indrindra ny an'ny gazety Tia Tanindrazana. Mahafaninana tokoa ary mahay mihoatra noho ny gazety Hehy tamin'ny fotoan'andro nampalaza azy. Fa hiverina tamin'ny sariitatra lazaiko indray aho.

Tao amin'izany sariitatra izany na tsy misy endrika na tavan'olona asehony aza dia ahitana fiara mpanao fifaninanana iray. Tsy F1 io mazava loatra fa irony fiara mpandeha amin'ny lalantsarotra sy lalantany irony. Misy olona iray mibaiko hatrany ao hanadio na hanisaka ny fitaratra, hamafa ny seza, hikopakopaka...dia mba niteny ilay miaraka aminy saingy valin'eso no azony hoe "Izay anie no ananako Copilote e!", dia ompa, hono, sisa no nataon'ny iray. Dia nihomehy aho fa nihomehy tamin'ny lafiny ilany, nihomehy ny "tsy fahaizan'ilay mpanao sariitatra". Izaho koa aloha tsy dia maharaka io fifaninanana fiara io saingy mba manana fomba fihevitra manaraka lôjika kely ihany.

Voalohany, raha tena amin'ireny fiara mifaninana ka misy pilote sy copilote ireny dia voatsinjara tsara ny anjara asan'izy ireo. Ny Pilote no mitana ny fanamoriana, tena ekeko tokoa. Fa anjaran'ny copilote no mitazona ny famantaranandro ijerena ny ora sy ny faharetana, mitazona ny sarintany hilazany mialoha ny fiolahana hodiavina ary tsy maintsy manaraka izay lazainy ny pilote, izany hoe ny copilote no "mibaiko" ny pilote. Ny Copilote no miteny hoe ankavia kely, ankavanana be, ankavanana tanteraka sns... Izany hoe tena anjaran'ny copilote no tokony hampihatra raha eo amin'ny lafiny politika ny antsoina hoe amin'ny frantsay hoe: "Gouverner c'est prévoir" satria eo aminy ny sarintany ijereny ny lalana sy hanoroany ny pilote. Ny anjaran'ny pilote dia ny mijery tsara ny lalana sy ny mihaino tsara ny baiko omena azy. Noho izany, amiko mba mizesta ery ilay mpanao sariitatra nefa diso ny zotra ankapoben'ny tantara ataony. Fa na izany na tsy izany tsy fiarakodia tsy akory i Madagasikara fa firenena.


Hahazo vahana eto amintsika ve ny vondron'asa La sentinelle?

Vaovao fohy navoakan'ny vohikala Sobika ny andron'ny talata 10 novambra ihany koa no mbola nahitana hoe hiasa miaraka ny vondron'asa Sentinelle avy ao amin'ny nosy Maorisy sy ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo. Dia mitohy ny voalaza fa handray an-tanana ny famoahana ny gazetin'ny Kaominina io orinasa io. Mba tahaka ny ahoana moa no nahazoan'io orinasa io ny fandraisana an-tanana ny gazetin'ny Kaominina izany? Mba misy ve ny tolotr'asa ampahibemaso sa dia fifanarahana ambadika fotsiny no natao? Misy dia misy manko ny antony mahaserny ahy amin'ity zavatra iray loha ity, ankoatra ny maha-mponin'Antananarivo Renivohitra ahy. Fomba fiasa nentina nanenjehana ny filoha Ravalomanana ho manao kolikoly manko no atao ankehitriny rehefa tsy mazava tsara ny nahazoan'io orinasa io izany ampiandraiketana azy izany.

Tamin'ny volana oktobra 2009 teo dia namoaka gazetiboky tsy manan-daharana nampitondraina ny lohateny hoe "Regards sur une crise Madagascar" ny gazety l'express de Madagascar. Amin'ny ankapobeny dia fanatsatsoana an-dRavalomanana sy fanasohasoana an-dRajoelina ny votoatin-dresaka ao, na dia mody lazainy mialoha aza fa ny hevitra rehetra mivoaka ao dia an'ny mpanoratra tsirairay ihany. Sary moa no tena betsaka fa misy lafiny Saikolojia (Psychology) miasa dia miasa ao ambadiny. Dia aleo lazaina mialoha fa ny Caractère Ltée ao anatin'ny vondron'asa La Sentinelle no nanonta io gazetiboky io. Tsy maintsy tsara jerena kosa aloha ilay boky fa ny tao an-tsaina avy hatrany raha vao nahita ilay vaovao dia hoe fifanandrifian-javatra fotsiny ve ny namoahana ity gazetiboky nolazaiko io sy ny fandraisan'ilay mpanonta an-tanana ny famoahana ny gazetin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra? Mba lazao kosa ny tena antony fa mba betsaka ihany anie ny mpanonta boky eto amin'ny tanàna e! sa potika tamin'ilay 26 janoary 2009 iry daholo ireo orinasa nahavita zavatra tsara rehetra teto?


Tsikera momba ny gazetiboky "Regards sur une crise Madagascar"

Mba manankambara momba ity gazetiboky mipetraka ho tsangambaton'ny tantara ity sahady aho, na dia mbola tsy tapitra aza ny tetezamita ka mbola eo ampanangonam-baovao sy fandrafetana ny lahatsoratra izay mety ho mpanoratra tantara tsirairay. Sary no tena betsaka hoy aho nefa tena miasa ny saikolojia. Pejy fahadimy no misy sary sy fanazavana voalohany: Lohateny manao hoe "Arrêt sur images". Misy sary roa ampitahaina eo mazava ho azy. Ny sary voalohany, sarin'afisin'i TGV tamin'ny fifidianana asandratr'olona iray anivon'olona maromaro sady maro amin'izy ireo no manao ny marika V. Ny sary faharoa eo ambany kosa dia sarin'afisin-dRavalomanana tamin'ny fifidianana ihany amin'ny tany kosa sady efa naharovitana  no ambanina vy may. Tsy ahitana olona mihitsy kosa. Hafatra ambara amin'izany: Manam-bahoaka i TGV ary lavo tanteraka sady tsy misy olona intsony manaraka ny filoha Ravalomanana. Fehiny: mivandravandra sahady nyfirehan'ny gazetiboky na dia mbola tsy tapitra akory aza ny tetezamita sady tsy mbola nisy ny fifidianana manaporofo izany.

Amin'ny ankapobeny ny gazetiboky dia tahaka ny maneho ny hamaroan'ny mpanaraka an'i TGV (izany hoe ny sary tamin'ny 24 janoary sy ny 26 janoary no faratampon'ny fahamaroan'ny olona indrindra) sy ny fahabangabangan'ny mpanaraka an-dRavalomanana nandritra ny tolona natao. Zavatra marina nosoratany dia ny filazana fa efa nihakely hery saiky levona tanteraka ny tolon'i TGV raha tsy teo ny miaramila mpioko. Avy eo moa lasa fiarovana ny miaramila nioko indray no natao lahasa avy eo.

Tsy aritra ihany koa ny ao amin'ny pejy 63 milaza ny nanomezan'ny filoha Ravalomanana ny fitaovan'ny MBS rehetra tsy tratran'ny fandrobana ho an'ny TVM sy ny RNM tamin'ny 5 febroary 2009. Nolazain'ny gazetiboky moa fa tsy nahafina ny ampihimamban-dRavalomanana teo amin'ny sehatry ny haino aman-jery izany fahalalaha-tanan'ny filoha Ravalomanana izany. Hoy kosa aho hoe: Raha nanome ny fitaovana ny filoha Ravalomanana dia mba hahenoana indray ny TVM sy ny RNM, tsy hampitaintaina ny any amin'ny faritra. Adidy ny azy mba hampandeha indray ny fanomezam-baovao. Tao anatin'ny paikan'ny fanonganam-panjakana manko ny "famotehana" ireo haino aman-jerim-panjakana ireo tsy hahafahan'ny filoha Ravalomanana miteny na aiza na aiza intsony. Tsy mahagaga raha tezitra ny mpanohitra satria nandeha indray ny RNM sy ny TVM nanomboka hatreo. Azo heverina manko fa nafenina tany ambadimbadika ihany (heveriko fa ny toby miaramilan'ny Capsat ihany) ireo fitaovana ireo, izay nananganana ilay TVM bis tamin'ny volana martsa 2009.

Fehiny, efa vonona amin'ny itantarantsika ny tantara ihany koa ve isika rehetra fa tsy ny hafa ihany no hitantara?

jentilisa, 11 novambra 2009 (11-11-2009) amin'ny 00:53

Fomba entina milaza fandresena

2009-11-09 @ 22:52 in Ankapobeny

Eto ampiandrasana ny fivoahan'ny lisitry ny mpikambana eo amin'ny ambaratongam-pahefana isan-karazany isika amin'izao fotoana izao. Ao anatin'izany ny mpikambana ao amin'ny governemanta. Velona indray ny fifanadrohadroana sy ny fifanebahana eo amin'ny ankolafy samihafa. Ny fifanandrifian-javatra ihany koa dia nisy nipiraty tao anatin'ny ora vitsivitsy ny vohikala topmada nanomboka teo ho eo amin'ny 11 ora atoandro teo ny alatsinainy 09 novambra 2009 (ora Antananarivo) ka efa maty masoandro vao hitako niverina tamin'ny laoniny ilay vohikala. Raha navela kelikely ilay vohikala tamin'io fotoana io tonga dia nandevona ny nojerena rehetra vantany vao notapahina ny fiseraserana (conexion).

Tonga indray ny alina, Lasa nilòna indray ny fiseraserana rehetra. Nanjary nandany fotoana lava vao tafiditra amina vohikala iray. Angamba noho ny filazana ofisialy fa azo arahina mivantana amin'ny alalan'ny vavahadin-tserasera iray eto an-toerana ny vaovaon'ny rnm sy ny matv ka maro no indray nivoivoy no anton'io filonana fiseraserana io fa tsy zavatra hafa. Nisy mihitsy manko ny fotoana tsy nety tafiditra na taiza na taiza aho teo amin'ny fiseraserana io alin'ny alatsinainy hifoha talata io. Mitantara zava-misy vetivety fotsiny aho fa ho avy indray ny ventin-dresaka.

 Raha ny mpiserasera manaraka politika ihany koa ataoko fa samy efa mahafantampantatra ny "Tovam-pifanarahan'ny satan'ny tetezamita malagasy" nosoniavina tany Addis-Abeba avokoa. Dia samy manao ny fandikana azy avokoa ny tsirairay, araka ny fireha-keviny, ilazana fa izy no tena nahazo tombony ka izy no nibata ny amboara tamin'ny fifanarahana. Ny Andininy voalohany, faharoa, fahatelo ary fahaefatra avokoa no androritana izany fandresen-dahatra ny tsirairay izany. Mahita aho fa niniana natao ny famadibadihana fomba filaza hoe and1:"...  il est institué un Conseil présidentiel composé de deux postes de co-présidents de la Transition..." milaza fa naorina ny filan-kevitry ny filoham-pirenena izay misy <filoha mpiara-mitantana> ny tetezamita roa. Toy ny mampihomehy satria atao hoe filan-kevitry ny filoham-pirenena izy mirahalahy mianaka nefa antsoia hoe <miara-filoha>n'ny Tetezamita. Toy ny manao hoe mody antsoina hoe ianao no filoha fa izahay ihany koa dia <miara-filoha> aminao no iantsoana anay.

Eo amin'ny and.2 indray manamarika fa tsy miova fa araka izay voafaritry ny satan'ny tetezamita  ihany ny andraikitry ny filoha fa nisy faingo nanaraka ny teny ka nitohy hoe:"...assisté par les deux co-présidents du Conseil présidentiel." izany hoe ampiana na atrehina na toroana na tarihin'ireo filoha mpiara-mitantan'ny Filan-kevitry ny filoham-pirenena. Ny ankolafy iray mety hiteny hoe assistant izany izy mirahalahy ireo izany hoe toy ny assistante de direction angamba no hiheverana azy ireo, ny ankolafy hafa indray mety hiteny hoe toy ny ray aman-dreny <izy mirahalahy miara-filoha> manatrika ny zavatra ataon-janany.

Ny andininy fahatelo dia lasa mamerina hatrany hoe: "Le Président de la Transition et les deux co-présidents de la Transition..." izany hoe noho ny hakamoana angaha dia tsy nosoratana hoe "Le Président de la Transition et les deux co-présidents du Conseil présidentiel" nefa amin'izao andron'ny solosaina izao dia azo atao tsara ny mandika sy mametaka (copier et coller) izay efa noasoratra teo amin'ny andininy faharoa saingy noho ny filiroliron'ny resaka lalàna dia mazava tsy misy hazavaina intsony angamba ny voasoratry ny Tovam-pifanarahana.

Ny andininy fahaefatra moa noho ny tsy dia fahaizako teny frantsay loatra angaha dia aleo ianareo ihany no hamaky azy amin'ny hoe: " Les actes du Président de la Transition, pris en Conseil des ministres, sont contresignés par les deux co-présidents de la Transition". Fa raha izay fiveriberenan-teny izay no heverina dia tsy tokony hanana alahelo loatra ny mpandala ny ara-dalàna. Raha misy ny mieritreritra hoe ka tsy tafala anie ilay mpanongam-panjakana dia hoy aho hoe manaovana tahaka ahy...tsy te-hahalala ilay mpanongam-panjakana aho fa manana filohan'ny tetezamita ihany koa izahay mandritra ity tetezamita ity. Tsy mieritreritra ilay mpanogam-panjakana ho filohako mihitsy aho ary afaka miteny soa aman-tsara amin'izay miresaka amiko sy miady hevitra amiko fa tsy filohako raha izay iny.

Averiko farany indray angamba fa ny tena tolona hafa, ankoatra ny famitana ity vanim-potoan'ny fihazohazoana ity, dia ireto miaramila mihevitra fa tsy hisy hahala azy amin'ny toerany ireto mihitsy fa ry zareo ihany no mifanendry fa ny mpitondra sivily dia manaiky fotsiny ihany. Anjaran'ny tsirairay ny mieritreritra satria efa masaka andohan'izy ireo fa tsy hanaiky hofehezin'ny fahefana sivily intsony ry zareo hatramin'ny nanafihany ny minisiteran'ny fiarovana tamin'ny volana martsa.

jentilisa, 10 novambra 2009, amin'ny 00:57

Rojom-bolongana roa samihafa: Valo sy telo

2009-11-08 @ 00:06 in Ankapobeny

Amin'ny fiaraha-monin-tserasera tahaka itony bolongana itony dia misy ny fanao itadiavana lohahevitra iresahan'ny mpamaham-bolongana maro izay mety hisandrahaka manerantany avy hatrany. Eo amin'ny hevitra, araka ny fahalalako azy, na ijerena ny hevitr'olona ilay rojom-bolongana na entina indrindra indrindra hanairana ireo zary natoritory. Koa aza atao mahagaga raha mety tsy hahatohy loatra ilay Rojo aho, izaho ary ve mavitrika dia mavitrika no efa fantatry ny rehetra ny hevitro dia inona indray ny mbola ampiana. Noho ny eritreritra tsy mety dia hanao adidy kely ihany ny tena na dia kilalao aza no tena antony. Efa amin'ny rojom-bolongana fantatro dia devoara roa izao no mbola tsy vitako dia ny devoaran'i Rondro (Ikalamako) sy ny devoaran'i Solofo (Maudigascar). Ny devoaran'Ikalamako ary aloha no hovitaina araka izay tratra.

A) Tsy maintsy manoratra faniriana valo tiako ho tanteraka aho?

Hanoratra aho hoe soa ihany fa nosoratana ilay izy fa raha tsy izany dia mody narenina aho ka nanao hoe: "inona ny fanirian-dRavalo tiana ho tanteraka?" Ny olona aloha no miantso azy hoe "Modia! modia!" fa izy toa tsy taitra akory fa milaza fotsiny hoe tsy maintsy ho avy i Dada dia izay ihany. Dray dray dray dray! aza fady re fa diso adiresy izany resako izany nefa mba tiako lazaina ihany.

1) Mba tsy ho leo miresaka politika ny olona satria araka ny andosirana ny tsy iresahana azy no mahatonga ny politika ho lasa olana mandrakariva.  Mitaky olona mandray andraikitra ny politika ka izay no amerana ny taona farany ambany amin'ny adidy sy firesahana politika. Amin'izay fotoana izay tsy hiandry na hitady Mesia intsony ny Malagasy. Mifandrindra amin'izany hatrany, mba ho ny saina no mifidy amin'ny fotoam-pifidianana fa tsy ny fo, dia tsy hanenina amin'ny safidy natao ny tsirairay.

2) Mba ho tia mamaky boky sy lahatsoratra amin'ny teny malagasy ny ankizy malagasy amin'izao fotoana izao, ary ho vitsy dia vitsy ny tsipelina diso rehefa manoratra izy ireo. Amin'izay fotoana izay, ho azo antoka fa manana ny ho aviny ny teny malagasy ary hahatsapa lalina ny mahamalagasy azy ny taranaka sady tsy hitsiriritra ny randrana manendrika ny hafa.

3) Mba hihamaro dia maro ihany koa ny bolongana amin'ny teny malagasy ho fampiroboroboana ity tenin-drazantsika ity. Tsy lavina velively ny teny vahiny sady ifandraisana amin'izao tontolo izao izany fa irìna ny iroboroboan'ny teny malagasy amin'itony aterineto itony.

4) Mba tena hihamora tokoa ny sara-pifandraisana eto Madagasikara fa tsy ny dokambarotra no terena handainga hanaitairana olona. Tsy handahatra ny sara lafo efa napetraky ny teo aloha ny hafa aoriana fa mba ho tsapan'ny mpampiasa itony fifandraisana itony fa mahazo tombony izy amin'ny fampiasana azy, ka tena hanjaka ny fifaninanana fa tsy tonga any amin'ny eritreritry ny olona hoe mifanaraka ambadika fotsiny ry zalahy.

5) Mba hanjaka ny fifampifehezana ary ho foana ny baranahiny, hilamina avokoa ny rehetra sy ny zava-drehetra. Mba hahatsapa ny hasarobidin' izany fifampifehezana sy filaminana izany ny Malagasy. Ratsy dia ratsy angamba ny handraisanareo ilay teny hoe fifampifehezana fa dia andeha hatao hoe hahay hifehy tena anie ka tsy hanaotao foana.

6) Mba tsy hohosihosena intsony ny safidy politika natao ary hiandry ny fifidianana izay te-hirotsaka hofidiana. Mifandrindra amin'izany, tsy ho fitakiana politika intsony no hidian an-dalambe fa fitakiana sosialy ary tsy hiofo politika avy eo. Halalaka ny fanehoan-kevitra saingy hofaizina kosa ny minia manely vaovao voaporofo fa tsy marina sy manakorontana olona fotsiny ary sazy henjana no ho an'izay mandranitra ady an-trano sy fifandirana eo amin'ny mpiray firenena.

7) Mba ho ampoka ny fifaliako eo amin'ny fiainana fa tsy fanalana azy fotsiny no iainana. Toy ny raraka be dia be manko ny fifaliako hatramin'ny fanongam-panjakana tamin'ny 17 martsa iny. Toy ny misaona mandrakariva izany ny tena ka tsy mahay mifaly anatina fampisehoana hira na zavatra hafa.

8) Tapitra sahady ve ilay faniriana valo? Fa naninona koa ary no natao valo fa tsy fito mba isa masina ahay?  Tsss...


B) Lazao hoe mahatonga anao hieritreritra inona ireto voambolana ireto: message, blog, croix, scrap, création, bonheur, enfant, vie, passion :

Message: fenorana, oadray fanorana hay moa no fiteny... mahatonga ahy hihevitra hoe twitter, friendfeed, SMS... Olona mifanalavitra no tena mifandefa hafatra fa raha olona mifanatritava kosa dia ny fomba fihetsika sy ny fomba fijery no hafatra ampitaina rehefa tsy tiana avoaka ambava ilay izy.

Blog: ahatsiarovako ny karazan-gazety amin'ny teny malagasy mivoaka isak'izay tiany ivoahana teto Madagasikara nandritra ny fanjanahantany. Izay nanana fahafahana hamoaka gazety dia namoaka avokoa, eny fa na dia maro aza no tsy naharitra loatra. Be koa tamin'izany fotoana izany no niovaova anarana ireo gazety malagasy ireo.

Croix: Iny Lalana iny misy Hazofijaliana saingy hotohizako ny lalako satria samy mizaka ny hazofijaliany ny tsirairay.

Scrap: Raha Carpe dia haiko fa trondro azo atao laoka fa io aloha tsoriko fa tsy haiko mihitsy.

Création: Ilay tontolo nosimban'ny olombelona ka sarotra ny iverenany amin'ny toetrany voalohany indrindra. Fa na tsy misy LA io fa tsy LE dia izay no tiako lazaina. Fa tena nahafinaritra ahy aloha ny fakandrivotra fony mpianatra e! Nanempotra be manko, hono, taloha ny tao ampianarana noho ny fanaovana tsianjery masiso ny zavatra nianarana fa tsy mahazo mamoron-desona ny mpianatra dia nomena Recréation ny ankizy hilalaovana ka tsy haiko intsony na mamorona no dikany na milalao sy miriaria.(Hors-sujet! ZERO!)

Bonheur: Fa tsy misy resaka fivavahana ve aloha no tanjon'ity Rojo atao ity? Tsy misy reharehako afa-tsy ianao Jesosy ô! Anao ny dera Anao ny laza sy voninahitra!... Sambatra aho Jesoa ô! Manana Anao izay Tompon'ny Aina! Sambatra aho Jesoa ô! Ampy ahy ny fitiavanao!... Hira fanao eny amin'ny Magro Ankorondrano manko izy io e!

Enfant: izy no tena akaiky ny Bonheur rehefa tsy manao ny adalany ny olondehibe

Vie: Vy vato Sakelika ve? Misy ny mandalo dia misy ny miserana fa ny maharitra mandrakizay no tadiavin'ny mpivavaka sy ny mikatsaka ny fahasambarana.

Passion: Tsy azoko ho'aho hoe naninona ilay téléfilm na télénovela breziliana tokony hitondra ny lohateny hoe "Au coeur de Peché" no natao hoe "Au coeur de Passion" e? Sa fahotana ben'i Kristy ilay fotoana nangirifiriany nialoha ny hahafatesany iny sa fahafinaretany ilay izy nampijalijaliana azy araka ny fitantaran'ny "La Passion du Christ" iny?

Oadray! tsy misy teny hafa azo analana azy intsony kay!

D) Inona no ambarako amin'ilay nikitika an-tserasera ahy?

Rondro (Ikalamako) dia vehivavy. Any Italia any no ipetrahany. Mody hoe tsy mahay resaka kajimirindra izy fa toa bebe ihany ny zavabitany. Inona koa no tianao ho fantatra ny aminy? Tsy aleo ve tonga dia miresaka aminy?

Dia izay aloha ny amin'ny devoaran'Ikalamako fa hiditra amin'ny devoaran'i Solofo indray aho.

Ny devoara atao eto indray dia milaza ny lahatsoratra telo navoaka voalohany indrindra. Ka ny ahy raha ny fitadidiako toa voatahiry hatramin'ny lahatsoratra tsy am-bolongana saingy natao ho an'ny Besinimaro tao amin'ny vondrona serasera tao amin'ny Yahoogroupe tao koa.  Tamin'ny 11 janoary 2005 io lahatsoratra io no navoaka ary nataoko hoe maresaka ny lohateniny, ka aza atao mahagaga anao raha lasa anaram-bolongana amin'izao fotoana izao ilay hoe Maharesaka. Gazety manko no nakana ny anarna tamin'izany fotoana izany. Nandrakitra an-tsoratra ny adihevitra mpitranga isa-maraina tamin'ny radio don Bosco sy ny radio tana aho tamin'izany fotoana izany satria ny fahatsapako tamin'izany fotoana izany dia izay lazain'ny gazety no noheverin'ny tany Andafy ho hany marina. Niezaka aho noho izany ny hahafantaran'ny Malagasy any ampielazana bebe kokoa ny zavanisy teto Madagasikara. Toy izany hatrany no nataoko nandritra ny roa volana... hitako fa miverimberina moa ny adihevitra ka tsy dia nazoto intsony aho ny hampita ny hevitry ny olona. Nanomboka nangetaheta hamoaka ny hevitro samirery amin'izay aho nanomboka teo.

Herintaona mahery taty aoriana kosa aho vao nanoratra tamim-bolongana. Nanao tsy ankiteniteny ihany aho satria noezahiko ny tsy hifandraisan'ny serasera yahoogroupes sy ny nosoratako voalohany tamin'ny 24 febroary 2006 izay niresaka lohahevitra sarotsarotra ihany momba ny fivavahana sy ny fifanoheran-kevitra mety hiteraka olana ao aminy. Nalaza indrindra manko tamin'io fotoana io ireo saritatra heverina ho naniratsira an'i Muhammad nivoaka an-tserasera. Niteraka fidinana an-dalambe ireo saritatra ireo ka namoahako ny hevitro manao hoe "Lasa fihomehezan'ny tsy mpino ny mpino"tamin'iny toe-draharaha iny. Mbola resaka ankapobe iny fa ny ampitso dia ilay resaka fandraisana anjaran'i Mathieu Razanakolona handray anjara amin'ny lalao ôlaimpika fanao ririnina no nosoratako sy notohanako ny hilalaovany sy hitondrany ny faneva malagasy satria bebe ihany ny gazety no nanakiana io fandraisany anjara io. Mahatadidy isika fa ny hahenoana ny anaran'i Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena no tena tanjon'ilay zalahy nipetraka tany Canada io tamin'izany fotoana izany. Tany amin'ny blogspot efa voafafa avokoa izany nosoratako izany.

Dia hoy aho hoe tsy efa ampy kosa ve izay nosoratako izay? Fa lasa namadibadika ny tahirintsoratro aho ka nahita fa hay vao voafidy ho Ben'ny tanàna Atoa Andry Rajoelina tamin'ny 2007 dia efa nisinisy sahady ny nanosika azy hanala ny filoha marc Ravalomanana ka efa nampitandremako hoe tsy tokony haneritery ity mpitantana vaovao ity mihitsy ny fitondrana mba ho voninahitra ny handraisana ny Fivoriambe Afrikana 2009 sy ny an'ny miteny frantsay 2010. Miala tsiny kosa aho raha tsy hametraka olona hanohy ny rojo satria mpitsara ny tena ka andrao lazain'ny hafa fa te-hanasongadina olona aho nanonona an'izatsy na izaroa. Mbola mitohy hatrany hatramin'ny 29 novambra 2009 manko ilay Best Of Malagasy Blogs koa na hitanao aza fa efa nisy nifidy izay tiana hofidiana dia mbola azonao fidiana indray mandeha koa iny hahamaro ny hisafidy azy. Aza adinoina io fa ny toy ireny koa mandrisika anay mazoto mamaham-bolongna itony hanao ny tsaratsara kokoa. Marihina hatrany fa tsy mandray anajara intsony i Jentilisa fa efa Mpitsara amin'ny famaranana kosa.



jentilisa, 8 novambra 2006 amin'ny 02:08

Karapanondro biometrika? Hazavao aminay!

2009-10-29 @ 20:24 in Ankapobeny

Atao maresaka indray amin'izao fotoana izao ity karapanondro biometrika ity. Fampidirana letrezana ho an'ny vahoaka malagasy iray manontolo. Ny mahagaga dia amin'ny dinika (forum)  izy io no itabatabana fatratra fa tsy dia nahitako famakafakana matotra, sy apetraka ho hitan'ny besinimaro amin'ny fotoana maharitra  kosa amin'ny lahatsoratry ny vohikala na amin'ny bolongana fantatra. Tsy fantatro loatra aloha izay antony, fa raha izaho manokana dia tsy mahafehy azy mihitsy, fikarohana etsy sy eroa amin'ny aterineto ihany no hanaovana famintinana sy adika ho amin'ny teny malagasy.

Eto aho dia manamarika mazava fa tsy idirako loatra, na dia mety voaroritra ihany aza, ny amin'ny pasipaoro biometrika izay efa nidiran'i Madagasikara fa ny karapanondro biometrika eto no tiako hananganana ny adihevitra. Ny Pasipaoro biometrika moa misy resaka iraisam-pirenena iny fa ilay sehatra firenena tsy misy idiran'ny any ivelany loatra no tiako resahina. Ny lahatsoratra etoana izany dia te-hahalala (fa tsy hoe te-hampahalala) ny momba ity kara-panondro biometrika ity, tiako ho mismisy kokoa ny fampahafantarana azy bebe kokoa ary mangetaheta izany manokana ny tenako.


Natao noho ny raharaha 11 septambra 2001

Rehefa niserasera maharitraritra ary aho tao anatin'ny andro vitsivitsy , ka indraindray mifangaro eny ho eny ny resaka pasipaoro sy karapanondro samy biometrika, dia nahatsikaritra zava-bitsivitsy mbola tsy mahafa-po ahy hanekeko ny hanatanterahina ity kara-panondro biometrika ity. Ny fiandohan'ny fampiasana ity (pasipaoro) biometrika ity dia noho ny raharaha 11 septambra 2001, andro nanafihan'ny mpampihorohoro an'i Etazonia tamin'ny alalan'ny fanjerana voromby ny Manda Kambana (Twin Tower) Foiben'ny Raharahambarotra Manerantany (World Trade Center). Nametraka fepetra i Etazonia fa tsy maintsy biometrika avokoa ny pasipaoron'ny vahiny hitsidika any aminy. Nilefitra avokoa ny firenenkafa, notarihin'ny vondrona Eoropeana, ary dia indreo fa miditra tsikelikely amin'ny fanovana ny pasipaoro ho biometrika ny firenen-drehetra.


Ny antony nanaovana izany, araka ny voalaza dia isorohana ny fidirana sisintany an-tsokosoko, izany hoe sakanana araka izay tratra ny fifindra- monina tsy ara-dalàna. Ary ialàna amin'ny fanaovana hosoka ihany koa dia heverina fa tsara ny manamboatra zavatra tsy azo alain-tahaka koa dia nampidirina ny fampiasana puce électronique. Nampidirin'ny OACI (Organisation de l'Aviation Civile Interationale) ho fepetra vaovao ihany koa ny fampiasana ny pasipaoro biometrika. Tamin'ny voalohany dia ny biby fiompy no nanaovana fanandramana nametahana ireny puce électronique ireny (hanaraha-maso ny toerana misy ny biby fiompy raha sanatrika ka very na nisy nangalatra sy hamantarana ihany koa ny tompony araka ny fahazoako azy), ary efa nanaovan'ny filoha Ravalomanana fampanantenana ny hametahana puce életronique amin'ny omby eto Madagasikara, saingy tsy tanteraka moa izany fampanantenana izany.


Atao inona ny karapanondro biometrika?

Araka ny iaraha-mahita dia tsy nilaza na inona na inona momba ity karapanondro biometrika ity ankoatra ny hoe hikarakarana ny fanaovana azy ireo milaza tena ho mpitondra fanjakana amin'izao fotoana izao hanomanana ny fifidianana ho avy hangarahara tsara sy tsy misy hosoka. Taty aoriana moa dia hita amin'ny gazety nambaran'ny praiminisitra vonjy tavan'andro amin'izao fotoana izao fa misy karapanondro 30 000 "maniditsidina" mivezivezy eto Madagasikara ka izay no mahamaika ny hanovana ny karapanondro ho biometrika. Hatramin'izao aloha amiko dia hevitra taingina hanerena ny hikarakarana ny hanaovana izany karapanondro biometrika izany fotsiny io hevitra io.

Tsy sahy niteny aloha izy hoe hosoka ireo lazainy fa karapanondro 30 000 mandehandeha ireo. Fony fotoana nanovana ny karapanondro manko dia efa nolazaina ny karapanondro "vaovao" tamin'izany fotoana izany fa tsy mety hanaovana hosoka io karapanondro io. Koa hampiteraka ahiahy fanampiny ho anay mpanara-baovao hatry ny fahakely raha niteniteny foana teo hoe "hosoka" ireo karapanondro maniditsidina ireo. Ampahatsiahiviko anefa fa ny nikendrena hanaovana ny soratra tamin'ilay karapanondro "vaovao" efa tonta mila soloina ankehitriny dia soratra vita milina avokoa. Rehefa mifampijerirejy karapanondro amin'ny hafa, indrindra fa ireo izay any ambanivohitra anefa ianao dia ho gaga fa be dia be ny karapanondro nofenoina tamin'ny sora-tanana ihany. Tsy natao ho amin'izany ilay karapanondro saingy nekena ihany izany noho ny tsy fananan'ny kaominina milina fanoratana.

Hay tokoa, mbola misy ny kaominina tsy manana milina fanoratana? efa niova ve izany toe-javatra izany amin'izao fotoana izao? Koa raha "sanatria" mbola misy ny Kaominina tsy manana milina fanoratana, ary ahiako mbola betsaka ny kaominina tsy manana jiro (tsy miresaka rano madio aho eto), dia ahoana izany ny fomba hikarakaranao ny fakan'ny olona ny karapanondro biometrika? Araka ny reko, raha ny tokony ho izy, dia any amin'ny toerana onenan'ny olona (Kaominina) no tokony amoahana ilay karapanondro biometrika, izany hoe tokony hisy fitaovana hikarakarana ny karapanondron'olona any amin'ireo kaominina 1400 mahery misy eto Madagasikara. Kaominina mbola misy tsy manana milina fanoratana no mety hikirakira solosaina izany! Enga anie! Enga anie ka hisy ny malagasy hahay hikarakara izany raha ho tontosa ihany izy ity fa tsy voatery hanafatra vazaha (avy amin'ny SAGEM izany hoe Frantsay) hanonta ilay karapanondro.


Natao hitoerana maharitra eo amin'ny fitondrana sy fomba fakana vola

Araka ny efa natsidiko dia heveriny fa hanomanana fifidianana no hikarakarany ny hanovana ny karapanondro misy amin'izao fotoana izao. Resaka mandany jiro izany araka ny hevitro mba hitoerana maharitra eo amin'ny seza azo. Mba mijerijery ny tena fa izay mikarakara azy ity toa mba mila fotoana an-taonany ihany (telo taona ny salanisa), ny antsika ity tadiavina hatao maimaika fotsiny amin'izao. Ny any amin'ny firenen-dehibe misy adihevitra vao mety ho tonga amin'ny fampiharana azy mba ho mora kokoa ny handraisan'ny besinimaro azy. Rehefa mandeha manko ny adihevitra dia tsy maintsy nisy ny fanovana ny zavatra sasantsasany ifanekena amin'ny farany.

Ny antsika fanapahan-kevitra mandritra ny filankevitra dia vita kabary. Na ny fampahafantarana ny mombamomba azy sy ny tena tombotsoany ankoatra ny dradraina ho fifidianana madio dia tsy misy intsony. Tahaka ireny hoe mahay ny momba azy ity avy hatrany ny vahoaka malagasy iray manontolo. Tsy mbola miteny aho eto hoe hanaovana ny karatra fa ny fikarakarana na fiomanana ny hanaovana azy. Izay aloha hatreto no ahazoako teny hoe hakana 6 miliara ariary latsaka kely aty amin'ny voalohany io. Eto izany dia antony isintonam-bola amin'ny kitapom- bolam- panjakana izy amin'izao fotoana izao. Izany hoe vao ny dingana voalohany fotsiny io araka ny fijeriko fa tsy ny totalin'ny vola holaniana velively hamitana ny karapanondro biometrika ho an'ny olona rehetra.

Farany sahady fa efa lava be izay, hanomanana ny fifidianana ho avy ny hikarakarana ity karapanondro biometrika ity, araka ny lazain'ny mpitondra vonjy tavan'andro. Tsy mbola nilaza izy hatreto hoe tsy hampiasaina intsony ny kara-pifidianana fa vitan'ny karapanondro ny amin'izany. Efa nisy ihany fotoana tany aloha tany ny hitakiana ny hanaovana ny kara-panondro irery ho karatra ahafahana mifidy saingy nitohy hatrany ny fampiasana ny kara-pifidianana. Koa raha mbola hampiasa kara-pifidianana ihany amin'ny fifidianana ho avy nefa ny kara-panondro no soloina dia zavatra tsy misy itombenany mihitsy. Fehiny: hatramin'izao aloha dia fomba fakana vola amin'ny kitapom- bolam- panjakana ny mody ilazalazana na itenenana karapanondro biometrika eto Madagasikara. Zavatra hafa ihany koa rehefa mitady hiditra amin'ny fanatanterahana azy ry zareo, ho fitaovana hitoerana maharitra eo amin'ny fitondrana aloha, taorian'ny fanomezam-bola ny orinasa fantatra avy hatrany fa vahiny mety hisahana ny fanamboarana sy ny fitsinjarana azy.

Hatreto dia tsy mbola niditra mihitsy ny momba ny karapanondro biometrika aho na dia izany aza ny fkasana voalohany nanoratanaity lahatsoratra ity. Mety mbola hitohy noho izany ny filazalazana raha tsy hoe misy mpamaham-bolongana hafa mihitsy hanoka-tena ihany koa hiresaka ny momba ny karapanondro biometrika kasaina hatao eto Madagasikara sy ny tranga efa misy manerantany.



jentilisa, 29 oktobra 2009, amin'ny 22: 29

Fandresena maimai-poana! Omeo anay! Omeo anay!

2009-10-18 @ 23:33 in Ankapobeny

Nandia fifaninanana iraisam-pirenena taranja Basket vehivavy ny teto Madagasikara nandritra ny herinandro mahery. Fiadiana ny ho tompondakan'i Afrika io fifaninanana iraisam-pirenena io. Zoma 16 oktobra 2009 ihany aho no mba afaka nijery ary dia io no nanararaotana nanarahana izany lalao izany. Ampaefa-dalana no natrehina tamin'io fotoana io ka nifanandrina tamin'izany ny Malagasy sy ny Maliana. Fantatsika ny vokatra fa resy isika saingy azo lazaina fa tsy dia nahatezitra ny mpijery loatra amin'ny ankapobeny ny fampisehoana natrehinay. Nandritra ny fizaram-potoana fahaefatra, rehefa hita ho nihareraka ny mpilalao malagasy dia nisy tovolahy teo akaikikaiky teo nihorakoraka tampoka hoe: "Fandresena maimai-poana! omeo anay ! omeo anay!" Niherika sady nihomehy avokoa ny teo akaiky teo nandre io kivazivazy zary tenany nataon'ilay tovolahy io. Ny zavatra toy izany no mahatonga ny fotoana ho mahafinaritra ny manatrika azy na dia faharesena aza no natrehina. Tena mendri-piderana tokoa ny mpijery rehetra, noho ny fanohanana natao hatramin'ny farany, nandritra ny lalao nanaovan'ny Malagasy rehetra, na dia hita izao aza fa tsy haharaka ny mpifanandrina aminy intsony aza ny ekipa notohanany.

Ny mpiserasera any ivelan'i Madagasikara dia mety tsy hahatakatra loatra ny lanjan'io fomba fitenenana nipoitra tampoka io ka aleo hazavaina fohifohy araka izay azo atao. Amin'ny haino aman-jery dia misy dokambarotra momba ny angovo azo avy amin'ny herin'ny masoandro izay ka somary mandray toe-draharaha mifandraika amin'ny zava-misy eto Madagasikara io dokambarotra io. Ny fanombohany dia toy ireny amin'ny vaovao an-tsary ireny, ka artista mpanao hatsikana fanta-daza no mpanolotra na mpilaza vaovao milaza fa hisy fanadihadihana harahina. Rehefa mivoaka ary ny sary fanadihadiana dia olona manao fihetsiketsehana sy mitondra sora-baventy no hita ka ny horaka ataon'izy ireo dia manao hoe: "Hazavana maimai-poana! Omeo anay! Omeo anay!" Dia iny no nanaovan'ilay tovolahy fomba fiteny mirazotra ka nihorakorahany hoe "Fandresena maimai-poana! Omeo anay! Omeo anay!" Tahaka ny tamin'ny tantara an-dahatsary malok'ila nampalaza ny "Tenenina foana fa He-e-eh! Anarina foana fa he-e-eh!" izany ka nankalazaina teny amin'ny kianjan'ny 13 mey tamin'ity taona ity.

Na dia dokambarotra aza iny! na lalao aza no jerena ka eto Madagasikara no tanterahina izany! tsy hisy hazavana azo avy amin'ny angovo vidiana maimaipoana izany fa tsy maintsy mividy ilay fitaovana aloha; tsy misy tompontanàna ka iangarana hahatafakatra azy fotsiny amin'izao raha mbola misy ny mahay sy kinga ary fetsy noho ny tena ankoatra ny tombony ara-batana. Fahamendrehana no mikaonty ary misy dingana arahina io. Dingana tokony arahin'ny mpanao politika rehetra ny hotsarain'ny mpifidy fa tsy ny famerimberenana hoe vahoaka vahoaka no midika fa mitondra ny tenin'io vahoaka io ianao na solontenan'io vahoaka io. Koa aza ataonao hahagaga raha misy ny antokon'olona tsy manaiky anao ho lasa mpitondra maimai-poana raha tsy mandalo fifidianana mifanentana amin'izany aloha ianao. Koa aza ataonao mahagaga raha horakorahan'ny mpijery ianao na ny vadinao raha misy ny fihetsika hisehosehoanao ho toy ny solontenan'i Madagasikara! Mbola izay aloha no vidin'ny nandrombahanao ny fahefana teto Madagasikara fa ny sisa manaraka ihany, araka ny kabarin-dRainisalama.

Marihina fa intelo izany izy mivady te-ho lohan'ny tetezamita eto Madagasikara ireto no nisedra ny horakoraka sy ny siotsioka ary ny rabirabin'ny mpijery tao amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena nandritra ity fifaninanana "Afrobasket women 2009" ity. Ny voalohany nandritra ny fanokafana ka nikabarian'Ingahikely tao anatin'ny fotoana fohy. Fotoana fohy satria nahery dia nahery ny sioka sy ny horaka. Dia nitohy izany raha saiky hitoraka ny baolina tany anaty harato izy. Tsy natao mihitsy moa ny tsipy baolina tamin'ny farany fandrao tsy tafiditra ka vao maika hampihoraka ny mpijery sy hanaovana azy ho fanalan'andro nefa "mihevi-tena" ho mpitondra ny firenena ihany. Fifandraisan-tanana no natao dia iny no lasa.

Ny faharoa kosa dia nandritra ity Zoma natrehiko ity, ramatoa indray rehefa resy ny ekipa Malagasy, dia nandeha nanatona ny mpilalao malagasy izy. Sioka sy hora-pandavana re izany! Ataoko fa gaga mihitsy ny vahiny nanatrika teo ka mety ho nifangaro hoe ny ekipany ve no orahan'ireto mpijery ireto sa iza. Rehefa niverina handeha hivoaka ny Lapa moa i Madama kely dia uuuuuu lava dia lava no nataon'i Mahamasina azy. Marihina kosa fa tsy voatery ho 100% no nanao izany hetsika tsy fankasitrahana izany fa difotra tanteraka, nisy mpitehaka ihany koa teo akaikiko teo, miohatra tamin'ny ren'ny besinimaro.

Ary ny fahatelo dia tamin'ny nanoloran-drangahy ny amboara tamin'ny tompondaka. Mety mbola hifangaro amin'ny vahiny mety ho tsy mahalala ny toe-draharaha eto Madagasikara ihany ny horaka satria tsy hay hoe ny ekipa mpandresy ve no nanaovana ilay horaka sa iza? Ny nahatsikaiky dia vao nanazava mihitsy ny mpanentana teo amin'ny televiziona nasionaly hoe aza atao mahagaga anareo mpijery fahitalavitra raha tsy ny mpitondra ny firenena no manolotra ny medaily ho an'ny mpandresy satria anjaran'ny mpikarakara madiodio ny manao izany. Vita tsara ny fanazavana no nandeha ny filazana fa ny Filoha Avon'ny Tetezamita (FAT) no manolotra ny amboara. Dia hitan'ny havany eo amin'izay moa hoe fa inona no tena zavamisy eto Madagasikara, ary ahoana ny fahatsapan'ny vahiny sy ny mpijery avy any anindrana ireny fanehoan-kevitra mivantana avy eny Mahamasina ireny.

Izany koa dia ilazana aminao fa tsy maimai-poana ny fandaniam-potoana hanoratana aminao ny zavamisy sy ny eritreritra mifandraika amin'izany eto Madagasikara. Tsy hisy izany fandresena maimai-poana izany na dia tompom-baolina sy tompom-basy aza ianao. Endrika tolona no ataoko, satria misy dia misy tokoa ny vola lany na dia amin'ny fahana iseraserana amin'ny aterineto amoahana hevitra fotsiny aza. Anjara tolona nandresy lahatra ny tena io tsinona! Mba fampaherezana mety hisy fiantraikany amin'ny mpamoaka ny heviny sy mpitatitra ny hitany an-tserasera ihany noho izany ny karazam-pifaninanana fankaherezana tahaka ny BOMBS izay tsy ifaninanako fa idirako ho anisan'ny mpitsara kosa. Karakarain'ny Foko-Madagasikara ity fifaninanana ity.


Amin'izao fotoana anoratana izao dia misy sokajy enina ny anaovanao safidy handrisihanao ireo mpamaham-bolongana Malagasy na miresaka momba ny Malagasy na/sy Madagasikara ary anentanana anao isaky ny sokajy.


Ny Vita Gasy no isafidiananao ny bolongana miresaka ny andavanandrom-piainana sy izay fitantarana ny ezaky ny Malagasy amin'ny sehatra isan-karazany.


Ny Kolo Gasy no isafidiananao ny bolongana miompana amin'ny kolontsaina sy zava-kanto Malagasy na/sy eto Madagasikara


Ny Tanora Gasy (tsy misy tohiny hoe vonona hatreto) no isafidiananao bolongana miresaka indrindra indrindra ny tanora malagasy amin'ny ankapobeny sy ny tontolon'ny adolantsento an-tserasera.


Ny Teny Gasy isafidiananao ireo bolongana amin'ny teny Malagasy amin'ny ankamaroan'ny lahatsoratra avoakany,hampiroboroboana ny tenindrazantsika an-tserasera ary nahazoako ny loka rahateo tamin'ny fifaninanana voalohany (2007). Misimisy izy ireo fa ianao no misafidy aloha


Ary eo dia eo ny Mpivoy Gasy, natokana ho an'ireo bolongana mavitrika mety ho famakinao isan'andro amin'ny famoahany hevitra. Matoky aho fa tsy hitongilangilana fahatany akory ny mpitsara any amin'ny dingana famaranana any fa masontsivana maromaro no ampiharina itsarana ny bolongana tsirairay.


Koa dia manetana anao izahay handray anjara amin'ny fifantenana ireo bolongana miresaka Malagasy na/sy Madagasikara ary hifidy ihany koa ireo ankafizinao isan-taranja na isan-tsokajy. Hatramin'ny faha-29 novambra no anaovanao izao fifantenana izao ary efa nanomboka ny fotoam-pihazana.



jentilisa 19 oktobra 2009, amin'ny 1:37 maraina

Fanomanana ny saina amin ny loko

2009-10-16 @ 02:40 in Ankapobeny

Rehefa hanomana ny sain'ny olona dia amin'ny zavatra tsy tandrina no tena hanaovana azy ireny. Manana taletana amin'io ihany koa ny Malagasy. Ny zavatra tokony ho tsy tandrina no tena iaingan'izy ireny saingy rehefa tsikaritra dia mampisaina izay mahita.


Voalohany, loko manga sy mavo no tena manavaka ny lokon'Antananarivo. Namboarin'ny TGV ho loko laoranjy sy manga antitra kosa izany rehefa avy eo, ka na dia ny zava-bitan'ny teo alohany aza nolokoiny ireo loko roa ireo toy ny tsena, ny fijerem-baolin'i Mahamasina ary foto-drafitr'asa isan-karazany. Fa ity eto ity kosa dia loko manga sy mena arahin'ny fotsy eny an-tsefatsefany eny, loko frantsay sa loko amerikana? ny tsikaritro aloha dia misy toa sarina sainam-pirenena frantsay eo ambany ankavanan'ny sary famantarana an'Antananarivo. Kisendrasendra fotsiny io sa fanomanan-tsaina?


Dia taitra indray ny tena raha vao nisy fiovana kely monja ny sora-pamantarana ny gazety Tia Tanindrazana. Raha loko mena sy maitso no nandokoana ny anaran-gazety nahazatra ahy dia niova ho mena sy manga tampoka teo izany. Lasa ny saina mieritreritra hoe fa tsy ny nampitovitoviana ny loko tamin'ny faneva ve no nanaovana io anaran-gazety io ho loko mena sy maitso? sa lany ny ranomainty maitso? Sa mitsapa ry zareo raha misy mahatsikaritra ny fanovana ataony?

Saingy nampitsiry fanantenana kely ihany kosa ny loko nanaovana ny famantarana ny Best Of Malagasy Blogs tamin'ny loko maitso. Ny loko maitso tokoa no lokon'ny fanantenana. Maniry anao handray anjara hifidy ny bolongana [blaogy] malagasy tianao indrindra ho fampiroboroboana ny fifandraisana sy ny fampitan-kevitra an-tserasera malagasy aho. Marihina fa tsy mandray anjara intsony i Jentilisa satria efa izy no nandrombaka izany tamin'ny fifaninanana farany tamin'ny 2007, no efa ao anatin'ny mpitsara ihany koa izy amin'ity indray mitoraka ity. Ireo rehetra nanohy namoaka lahatsoratra na endrim-pamahanana bolongana hafa [sariitatra, saripika, lahatsary,...] tao anatin'ny enim-bolana farany no anaovanao ny safidinao. Efa nanomboka izany fifidianana izany, ary azoanao jerena ao ny andinindininy momba izany fifaninanana izany.

Fanamarihana 1: Mbola mitohy ihany ny fanoavana laingalainga amin'ny alalan'ny gazety. Efa herinandro izay no nanambara mivantana tamin'ny alalan'ny antso an-tarobia tamin'ny mpanohana azy ny filoha Ravalomanana fa tsy hanatrika ny fihaonana andaminana ny toe-draharaha eto Madagasikara ivelan'i Madagasikara sy Afrika. Efa nandre izany mivantana ny tena tamin'ny alatsinainy. Mahafantatra ny toetrany tsy mba mivadibadi-dela ny olona, nefa toa inian'ity gazety ity adinoina ny fanambarany, ka lazainy fa tamin'ny ora farany vao nisy ny fandavana. Indrisy manko fa ny gazety tahaka itony no eken'ny mpamaky teny kokoa fa tsy ny feo hafa miezaka manambara sy mampita ny zava-misy marina.

Fanamarihana 2: Anisan'ny manintona ny fifantohako ny vaovao mpitranga any amin'ny firenena nisiana fanonganam-panjakana na firenena enti-miaramila. Ity ohatra dia fijoroana vavolombelona nataona miaramila iray [teny malagasy] nandritra ny fandripaham-bahoaka nataon'ny miaramila tany Ginea tamin'ny 28 septambra lasa teo. Toa betsaka ihany, hoy ilay tsy mahay manisa ny fitoviana nisy tany sy teto. Ny hany niavahany dia lasa nandripaka olona ilay mpitondra nidehaka fa nahazo ny fahefana tsy nisy ra latsaka! Enga anie mba tsy hisy izany fandripahana olona izany eto Madagasikara.

jentilisa, 16 oktobra 2009 amin'ny 4: 44 maraina

Mandrahona ny ho eny Ambohitsorohitra amin'ny Zoma 25 sept 2009 ny mersenera

2009-09-23 @ 21:07 in Ankapobeny

Ela ny ela fa mipoitra tsikelikely ihany ny marina. Toa tsy misy miresaka loatra ho'aho ity hotantaraiko manaraka ity eto an-tserasera nefa dia gazety malagasy no nahitako azy fa ny gazety taratra laharana 1693 nivoaka tamin'ny 23 septambra 2009 ihany no ampelatanana. Namoaka io gazety io ao amin'ny pejy faharoa fa "Mandrahona ny hilahatra eo Ambohitsorohitra" ny rezervista tanora, nitolona tamin'ny andron'ny TGV. hidina an-dalambe izy ireo hitondra sora-baventy satria tsy tanteraka ny fampanantenana natao tamin'izy ireo, toy ny hanomezana asa ho azy ireo tahaka ny hoe fampidirana azy ho miaramila ary hotsinjovina manokana ny rezervista nanohana ny tolona.

Lasa ny saiko, fotoana taiza ho aiza tokoa nandritra ny tolona moa izy ireo izany no nandray anjara tamin'izany tolona izany? Ary inona avy no anjara andraikiny nandritra ny tolona nataony. Asa raha mba tsikaritrareo fa miampanga tena ry zareo ireto no sady miampanga ny TGV ihany koa. Sao dia misy mieritreritra fampitahana amin'ny zana-dambo 2002 ary aloha ka aleo avahana tsara.

Tamin'ny 2002, rehefa tsy nety niditra an-tsehatra loatra ny tena miaramila dia nisy ny fiantsoana olona ampahibemaso sy tamin'ny alalan'ny haino aman-jery ho an'izay hanao raharahana miaramila. Tao Ambohitsorohitra ireo olona ireo no nantsoina ka nofanina avy eo hampandry tany. Mazava tsara fa ampahibemaso no niantsoana ireo olona ireo. Noho izy ireo notarihin'ny Jeneraly Razafindralambo, tamin'izany fotoana izany no nahazoan'izy ireo ny anarana hoe Zana-dambo. Ny iraka nampanaovina ireo Zana-dambo ireo dia ny hanafaka ny tanàna na faritany manodidina tsy ho eo am-pelatanan'ny filoha Ratsiraka intsony. Nianatsimo ny iraka voalohany indrindra, dia nianavaratra andrefana ary niafara tany atsinanan'i Madagasikara.

Tamin'ity taona 2009 ity kosa aho tsy nandre na oviana na oviana fa mandray rezervista ny TGV, handray fiadiana na fitaovam-piadiana. Noho izany tsy mahalala ny andraikitr'izy ireo sy ny iraka ampanaovina azy ireo. Marihina indray mandeha fa nolazaina hoe Tanora ireo rezervista ireo. Mahatadidy tsara kosa indray anefa aho fa tena manana paik'ady ara-miaramila sy tena Vonona tokoa ny tariky ny TGV nandritra ireny tolona tamim-bato nataony rehetra, toy ny nanafihany ny 1RM1 tamin'ny 16 febroary 2009 sy ny 4 marsa 2009 nandravana ny fihetsiketsehana teo amin'ny kianjan'ny 13 mey. Tsy adinoina ny andro nanafahana ny mpianatry ny Lisea frantsay Ambatobe tratra takalon'aina tsy fidiny tao amin'ny sekoly nianarany. Tena ady no nataon'izy ireo tamin'izany fotoana izany fa tsy nisy basy hita avy amin-dry zareo kosa. Kanjo hay nisy fampanantenana ny hampanaovana azy ireo ho miaramila raikitra, na asa hafa ho azy ireo raha mandray anjara mavitrika amin'ny ibaikoana azy izy ireo.

Nahatadidy tsara kosa anefa aho, fony vao nahazo ny fahefana i Andry Rajoelina fa vao jerena ireo "miaramila" miandry ny lalana andalovany handehanany mody dia tsikaritra ho tsy tena miaramila mihitsy izy ireo, na dia mitana basy aza, ary tsy vitsy no efa antitra na lava volo nefa tsy manamboninahitra (inay anie nalaiko sary izy ireny). Ny tao an-tsaiko avy hatrany raha vao nahita azy ireo aho dia hoe :"miaramilan-dRamaroson (Alain) angaha ireny?" Manao fanamiana sy mitana basy soa amantsara ry zalahy ireo tamin'izany fotoana izany.

Koa raha tsy nisy ny fiantsoana ampahibemaso ny rezervista sy fanomezana fitaovam-piadiana mahery vaika azy ireo, moa diso ve aho raha milaza mazava hoe mersenera ireo mandrahona ho eny Ambohitsorohitra amin'ny Zoma 25 septambra 2009 ireto fa tsy izany lazain'ny gazety hoe rezerista izany? Fanarontsaronana ny marina tsy hivandravandra loatra ka hanafintohina ny maro ny mody iantsoana azy hoe rezervista.



jentilisa, 23 septambra 2009 amin'ny 23:10

PS: raha misy ny hametraka hevitra: soraty amin'ny vakiraoka (na blocnote na notepad na...) aloha ny hevitra tianao apetraka. Rehefa vita izany vao ankotrihinao ny takelaka (actualiser) dia fenoinao ny banga rehetra eo amin'ny fametrahan-kevitra. Ataoko fa tsy ho very ny hevitrao amin'izay fotoana izay.

4*4 may: inona no tena marina?[nampiana]

2009-09-14 @ 21:58 in Ankapobeny

Mifangaroharo be ihany ny hevitra mikasika ity tranga tamin'ny alatsinainy 14 septambra ity. Indreo ny sary, anjarantsika ny maminavina. Ahoana no nahamay ity fiara vaovao ity? Misy ny milaza fa fanafihan-jatovo no nisy ka nandoro ny fiara rehefa nanaparitaka ny olona nivorivory ny mpitandro ny filaminana. Ireo izay nanatri-maso rehetra niresaka tamiko kosa, sy niresaka tamin'ny mpanao gazetin'ny matv dia nanitrikitrika fa avy amin'ny baomba mpandatsa-dranomason'ny miaramila no niteraka ny afo.



 

Ny zavatra hita aloha dia nijanona tampoka ny fanaparitahana ny olona. Nilaza ny fisian'ny fiara may ny TVM saingy tsy nilaza izay nanao azy sy ny antony nahamay ny fiara. Nanohy nifandrangitra ireo ankolafy saingy tsy niditra tamin'ny fikasihan-tanana. Ny nahagaga ihany koa dia ireo polisy tsy nanao fanamiana maro nihaodihaody sy niara-dalana. Hamaly faty tamin'ny fanafihan'ny FIS natao azy sa inona no tena dikany?


jentilisa, 15 septambra 2009

 

 

 

 

 

Pitik'afo kely monja dia mirefotra i Madagasikara iray manontolo

2009-09-08 @ 08:55 in Ankapobeny


Tsy misy maharesy ny TGV sy ny mpanohana azy ao amin'ny ankolafy Rajoelina eo raha gidragidra no tadiavina ary voafandrika ny hafa raha miditra amin'izany. Tsy misangisangy velively aho raha manoratra izany. Toa iniana adinoina indray ireo andro nanjombona nandritra ny tolona hamerenana ny ara-dalàna hatramin'izay. Raha nanantena ny fahamaroan'olona be indrindra ny tao amin'ny Magro Ankorondrano Antananarivo tamin'ny 26 jona 2009 dia ny nifanohitra tamin'izany no nitranga. Inona no antony? nanao izay hisian'ny fikorontanana eo amin'ny mpitolona ny FAT tamin'ny nisamborana mpitarika vitsivitsy ary dia nahomby tokoa tamin'izany tetika izany. Koa inona indray no mbola ijabahana amin'izany?

Izaho manokana dia miaro hatramin'ny farany ny fandalàna ny tsy fanaovana herisetra ary manohitra tanteraka ny fandranitana ho amin'ny herisetra. Tetika efa vita lamina ny tamin'ny 26 jona 2009 araka ny efa notantaraiko tao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe "Ny tetika famonoana ny tolon'ny ara-dalàna -fizarana faharoa-" nivoaka tamin'ny 5 jolay 2009 lasa teo. Raha fehezina dia hoe mitady izay hisian'ny gidraka hatrany ireo mpanakorontana ahafahana mamono ny tolona. Afenina ao ambadiky ny antsoina hoe "Action" hatrany io fitadiavana gidraka io nefa efa voaomana hatrany paika atao hahavery anjavony ny fenitra rehefa mandeha amin'izay lalana izay. Izaho manokana dia mahamarika andian'olona hatrany isaky ny misedra zava-tsarotra ny mpitolona ao saingy nangina hatrany fandrao lazaina ho miampanga befahatany (ankoatra izay efa nasehoko sary).

Ankehitriny indray dia misovoka any anatin'ny mpanatrika any indray ireo mpampirisika ny "Action" izay herisetra no tena kendreny. Tsarovy fa tsy niomana amin'izany herisetra izany ny maro amin'ny mpitolona, ary hihemotra indray ny tsy tia gidragidra raha miditra amin'izay sehatra izay ny ao amin'ny Magro. Hatramin'izao aloha dia isaorana ny mpitarika tsy nanaiky befahatany ny sosokevitr'ireo olona mahay miresaka ireo nefa tsy ho tonga akory fa matahotra ny ipitihan'ny rà raha sanatria misy tokoa ny tahaka izany. Efa kolontsaina nanabeazana ny mpitolona amin'ny alalan'ny fivavahana hatrany ny fandavana herisetra, noho izany teti-pandravana haingana ny tolona ny fiheverana hanao action, eny fa na dia ny fivoahana ny vavahadin'ny Magro fotsiny ihany aza. Tompon'andraikitra amin'ny rà latsaka sy ny ratra izay miditra amin'izany amin'izao fotoana ary avelao handeha hanao ny azy any ireo mihevitra hitarika ho amin'izany.

Hampitodika ny maro amin'ny zava-nisy tao anatin'ny folo andro izay tsy dia voaresaka loatra aho nefa midika zavatra lehibe amin'izay mety hitranga atsy ho atsy. Tamin'ny faran'ny volana aogositra dia nisy gidragidra mahatsiravina tao amin'ny kianja Malacam Antanimena filalaovana baolina lavalava. Nisy manko ekipa sy mpilalao tsy nahatanty resy ka nitarika ady tao. Tamin'io andro io ihany teny Anosipatrana, nisy saofera fiarakaretsaka voadaroka satria voaendrikendrika ho nitondra baomba... rehefa resaka baomba dia fantatra hoe ankolafy inona no tena notaitairina tamin'izany hisian'ny fankahalana tanteraka tao aminy. Dia tamin'ny faran'ny herinandro teo indray nisy angaredona tany Moramanga nandritra ny fiadiana ho tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny baolina fandaka. Tsy nahatanty resy tsinona ny tompontany ka nanao ankamely, tsy nahazaka intsony ny vahiny dia namaly kanjo dia nivadika ho ady saritaka izany.

Tsotra ny anton'ireo gidragidra isan-karazany ireo, voalohany ny lonilony mipetraka any amin'ny olona any ka eo no anehoany ny sorisoriny. Manomboka amin'ny fandrisihana aloha izy ireo hampibolisatra ny raharaha, ka raha sanatria mibolisatra tokoa dia na mitsoaka avy hatrany na midaroka kely koa aloha dia mandositra avy eo sady mihomehy na mitsiky ihany avy eo... manala azy... manala ny sorisory tsinona! Efa misy rahateo ny mpampirisika saingy tsy hiditra ao akory rehefa avy eo fa faly mahita fikorontanana fotsiny. Tadidiko tsara ny nataon'ny haino aman-jery tamin'ny 28 marsa 2009, fa ny vali-bontana nataon'ny avy eny Ambohijatovo ihany no nasongadiny fa ny nataon'ireo niandohan'ny toraka tsy hitanao akory. Efa ao anaty teti-panorona ihany koa izany fomba fampitam-baovao izany hiampangana ny mpanara-dalàna ho nitarika ny gidragidra. Olona efa nokaramaina ho amin'izany gidragidra izany, sy efa zatra ady tahaka ny nitranga tamin'ny 16 febroary 2009 tamin'ny nanafihana ny toby miaramila 1RM1 Analakely ve no ifaninananao sady efa zatra hetsika mifandraika amin'ny herisetra ao anatin'ny fiainana andavanandro? Ny anao anefa raha vao misy miaramila sahisahy anao dia ny mitomany migogogogo sy mandohalika eo anatrehany no mba vitanao.

Raha misy anefa ny lonilony, tsy any amin'ny fidarohana na famonoana ny olona tsy mitovy hevitra avy aminao velively no vahaolana fa fanampin'olana aza izany. Fa aiza moa amin'izao fotoana izao no ironan'ny maro an'isa kokoa no hitady herisetra, izay antony lehibe indrindra nampihena ny tolon'ny 13 mey tamin'ny tolon'ny laoranjy indray ho harahinao? Averiko indray, tsy haharesy ny ankolafy Andry Rajoelina velively ianareo raha gidragidra no tadiavinareo sady tsy voatery ho ireo metyhifanandrina aminao velively no tompon'andraikitra voalohany amin'ny toe-java-misy ankehitriny. Ninia aho namoaka ity lahatsoratra ity mialoha ny ivoahan'ny FAT faharoa izay mety hiteraka fahasorenana sy fahatezerana hafa eo amin'ny mpamaky. Fa dia saino tsara ho'aho izay tokony hatao fa aza entin'ny fo fotsiny. Enimbolana ve vita ihany ka dia...


jentilisa, talata 8 septembra 2009 mialoha kely ny 11:00 atoandro

personality of jentilisa

2009-08-18 @ 05:19 in Ankapobeny

via simplex' blog has made a test of his personality and found out that he has personality type of a creator or a craftman. You too, test yourself.

Ny fomba rehetra tsy hiverenan-d Ravalomanana Marc eto Madagasikara

2009-08-12 @ 21:40 in Ankapobeny

Niforona ary mihetsika ny hery iray antsoina hoe herin'ny fanovana eto Madagasikara. Ny antony nananganana ity hery ity dia hanampy sy handrisika ankolaka raha azo atao ny hery miaramila handray ny andraikiny manoloana izao filazana ny mety hiverenan-dRavalomanana eto Madagasikara izao. Marina fa tsy voatery hoe izao dieny izao izany fodiana izany saingy tsy eken'ny sainy velively na dia ny mieritreritra izany aza. Ilaina dia ilaina ny fampihavanam-pirenena, saingy raha ny filoha teo aloha Ravalomanana kosa tena tsy zakany!

Misy tokoa ny vondron'olona, maniry dia maniry, ary nisy aza ny efa nahaloa-bava tsy nahy, ny idiran'ny miaramila an-tsehatra hanakanana an'izany fiverenan-dRavalomanana izany. Tena olana goavana manko ilay rangahy io: tsy vitan'ny hoe nanaporofo izy fa mahavita zavatra hay ity Malagasy ity rehefa hampandroso ny fireneny tokoa fa niezaka ihany koa izy ny hametraka izany antsoina hoe fifampifehezana... diso aho: jadona eto Madagasikara. Tsy mahazaka fehezina... tsia, jadona no tiako lazaina... manko ny olona amin'ny ankapobeny fa mahafinaritra ny maso ery ny mahita ireo mpivarotra amoron-dalana mirotsaka tsikelikely anaty lalana, sy ny itakian'ny hafa ny hamerenena indray ny tsena eny Analakely, sitrany ahay mivandravandra sy mihanaka hatrany Analakely ny savoritaka eny Behoririka sy Ambodifilao... Tsy izay no tiako lazaina fa mba tsy mivilivily ny mpividy fa manaraka ny arabe dia mahita izay hovidiana.

Ny olana hafa ihany koa amin'izay mety hiverenan-dRavalomanana eto Madagasikara ka mety hirotsahany hofidiana indray, dia ny fanahiana fandrao ekeny eo ny fangatahan'ny mpanohana azy hanafoanana izany miaramila izany. Tena tsy ekeny mihitsy izany satria ahoana indray moa ny fomba hanonganana raha sanatria tafaverina eo amin'ny fitondrana izy raha foanana ny miaramila? Efa hita ihany manko fa be mpanaraka ihany ity filoha teo aloha ity ary mety ho lany mihitsy aza ka aleo sakanana tsy hiditra eto Madagasikara mihitsy.

Eo ampieritreretana izany aho dia niitatra ny saiko ka lasa nirediredy : Tokony hirotsaka an-dalambe indray ny mpitolona tamin'ireny telovolana voalohany ireny hanaporofoana amin'ireo milaza ny tenan'izy ireo ho mpanaraka ny ara-dalàna fa mbola ry zareo hatrany no mitana ny maro an'isa ka mahasolo tena ny vahoaka. Fantatra anefa fa tsy homen'ireo mpanohana ny ara-dalàna ireo mihitsy ny kianjan'ny Magro hanaovana fihetsiketsehana ka dia eny amin'ny kianjan'Ambohijatovo na eny amin'ny kianjan'ny 13 mey mihitsy no hanaovana izany fihetsiketsehana izany. Antsoina indray ny eny ambany tanàna hiara-dia amin'ny herin'ny fanovana tarihin'ny pasitora retirety Andriamanjato Richard ka ny tambin'ny fandraisana anjara dia araka ilay nahazatra hatrany rehefa mirava kelikely ny fivoriana. Eo ihany koa ny fanangonan-tsonia hitsipahana ity fifanarahana tany Maputo ity. Raha hita fa mitady ho tsikaritra fa vitsy sisa ny mpanaraka sivily dia hetsehina indray ny hery miaramila izay nahavita asa be voninahitra ho an'ny tanindrazana tamin'ny nanavotana an'i Madagasikara hiala teo ambany ziogan'ny fampandrosoana an'i Madagasikara...tsia, jadona... sady ny ohabolana malagasy rahateo efa nilaza fa izay basy no be, izany hoe izay manambasy no porofo fa maro an'isa eto Madagasikara. Mino aho fa tsy misy diso hevitro tao anatin'izay eritreritra sendra nandalo izay.



jentilisa, 12 aogositra 2009

Hahazaka valin-kitsaka ve ny mpitandro ny filaminana?

2009-08-03 @ 12:40 in Ankapobeny


Fangaron-dahatsoratra vitsivitsy indray no alefa manaraka eto. Atao ahoana moa fa izay no mahazatra ny tena na dia efa mirona kokoa amin'ny famahanam-bolongana fohy (twitter, friendfeed) aza ny tena, sady manararaotra mandrisika anao hatrany hiditra amin'ireo tontolo vao haingana ireo, dia misy ihany ny ilàna lahatsoratra lavalava tahaka izay ataoko manaraka eto. Mazava loatra fa tsikaritra sy fomba fijeriko manokana no soratana eto fa tsy midika hoe hetahetam-bahoaka na hevitry ny vahoaka izay lazaiko. Mora manko ny mandainga saingy manimba fifampitokisana izany, sady sarotra dia sarotra ny hamerina ny fifampitokisana very.

Ny soratana voalohany ary dia izay lazain'ny lohateny aloha. Raha nandehandeha naka sary aho tamin'ny alakamisy 30 jolay 2009 nisy ilay raharaha fakantsary iny dia nihazo an'Analakely araka ny efa novakianareo. Raha nivezivezy tsimoramora ireo fiaran'ny FIS dia hitako misoritra amin'ny tavan'ireo mpijorojoro sy manan-draharaha ivelan'ny sehatra mpandoa hetra ny tahotra sy ny fahavinirana. Hafa dia hafa mihitsy ny fomba fijerin'izy ireo ny fiara mandehandeha. Ny resaka re ho an'izay sahy miteny ihany koa moa dia tena miandry kendri-tohina mihitsy hamelezana ny mpitandro ny filaminana ny olona. Ataoko fa efa fantatry ny sampam-pitsikilovan'ireny mpitandro filaminana ireny mihitsy ny hatezeran'ny olona sasany ireny nefa iniany mbola tsindriana hatramin'izao na dia miandry fotoana hiborahany aza ry zareo. Dia aza lazaina intsony fa tsy nampoizina ny zava-nitranga raha misy fipoahana "hatezeram-bahoaka" tampoka rehefa tonga izay fotoana izay. Dia aza gaga intsony rehefa sahy miatrika amin'ny mpitandro ny filaminana amin'izay ny olona indray andro any... ary tsy olona voakarama ireo.


Tsikaritra tany Alaotra

Tany amin'ny toerana vitsivitsy tany amin'ny faritra Alaotra iny aho tamin'ny herinandro fahaefatry ny volana jolay iny. Alaotra ilay lazaina ho sompitry ny vary, faritra mamokatra iankinan'ny toe-karena malagasy ihany koa. Tsara ny lalana any amin'ny ankapobeny ankoatra an'i Moramanga mankany Vohidiala izay azo iafiana ihany. Tsara dia tsara hoe iny lalana iny, na dia lalantany aza, teo aloha teo noho ny fikojakojana ny lalana fa vao haingana (am-bolana) izy no niharatsy toa io.

Raha mivezivezy any amin'iny faritra iny ianao dia ho gaga fa misimisy ihany ny olona no miakanjo t-shirt Ravalomanana nefa zara ianao raha mahita olona misalotra, na manao sarondoha na manao fehintanana loko laoranjy, ary tena mitady mihitsy ianao amin'io fotoana io sady amin'ny ankapobeny dia ny jiolahimboto ihany no ahitanao misy loko laoranjy amin'ny fitafiany any. Notsoahiko avy amin'io tsikaritra io fa eto Antananarivo sy ny manodidina no lamaody ny loko laoranjy fa tsy any Alaotra kosa.

Raha niresaka tamin'olona aho, tsy mahafantatra izay safidy politikako akory ry zareo fa dia misy ny sahy miteny avy hatrany fa na tsy hita mitolona aza izy (no tsy hita miakanjo Ravalomanana koa) dia aleony lavitra Ravalomanana no mitondra satria hita mipaka hatrany amin'ny misy azy ireo izay karazan'ny tany lavitra andriana ny nataony fa ireto mitondra ankehitriny kosa heveriny fa mangalatra no tena tanjony, araka ny fijerin'ny ankamaroan'izy ireo. Na izany na tsy izany, tsy nahita fivezivezena miaramila na zandary loatra aho tany ankoatra ny teo Vohidiala misy ny Silo.

Nisy zava-bitan'ny fitondrana teo aloha efa nihazakazahan'ny minisitry ny fitaterana ao amin'ny FAT Atoa Ranjatoelina Rolland notokanana tamin'ny 3 jolay eo ampidirana ho ao Ambatodrazaka dia ny fiatsonan'ny fiara zotra nasonaly izany. Mahafinaritra jerena avy hatrany ny toerana ary fantatry ny olona rahateo ny nanangana azy. Na izany aza, rehefa nojerena topimaso fotsiny dia tsy hitako izay misy ny toeram-pivoahana. Izaho aloha dia manitrikitrika fa raha te-hampiroborobo izany fizahan-tany eto Madagasikara izany dia ny momba ny fidiovana io hatrany no tena takiako manokana ny fikarakarana azy. Io manko no tena mahavoretra na mahadio ny tanàna araka ny fijeriko.
 

Serasera: Ariary zato ny iray minitra

Tany aho sady tsy nahita tele, tsy naheno radio, tsy namaky gazety, tsy nahalala solosaina ankoatra ilay fandalovana kely tao Ambatondrazaka, izany hoe tsy nahara-baovao toy ny teto Antananarivo; nefa rehefa tonga teto Antananarivo aho dia toy ireny nahara-baovao sahala amin'inona ireny raha vao nanokatra ny aterineto indray mandeha. Midika izany fa tsy misy fiovany loatra ny zavamisy eto Antananarivo. Ireo manana finday anefa dia manontany vaovao amin'ny olo-pantany tsindraindray eny ihany ary toy ny maharaka ihany izy ireo. Tsy miraharaha izay lazain'ny RNM sy ny TVM ny olona fa heveriny ho mandany angovo fotsiny ny fanarahana ireny. Misimisy ihany na izany aza ny manaraka RDB izay azo any an-toerana.

Fony izaho niezaka nijerijery tanàna tao Ambatondrazaka (nandritra ny iray andro) tao dia nijery izay ahafahana mijery aterineto ihany koa aho mazava loatra. Iray ihany no hitako tao (fa toa roa ry zareo no cyber ao fa tsy hitako ilay iray sady vahiny sambany ao nahita ny tanàna rahateo ny tena). Ninia mihitsy aho niditra tao hijery ny halakin-tserasera. Nanontany ny sanda aho dia gaga nandre hoe ariary zato ny iray minitra ary Arivo ariary ny sara farany ambany aloa. Mazava loatra fa tsy misy idiran'ny sarambambem-bahoaka amin'ny aterineto aloha raha amin'ity faritra ity. Nijery ary aho fa solosaina iray no maha-cyber ilay toerana. Mba 3G+ no ampiasainy fa lazaiko anareo: 15 minitra ny fotoana lany izany hoe 3000Ar ny sandan'izany nefa dia ilay soratra ao amin'ny twitter-ko iny ihany no mba vitany; tsy nahasokatra mailaka na dia iray aza aho no tsy nahasokatra vohikala hafa mihitsy. Mihevitra aho fa mbola fijaliana sy tena rendrarendra ho an'izay manana fahafaha-miserasera any aloha izany aterineto izany raha ny nanjo ahy no heverina.


Raha izaho no mpaminany?

Indray alina dia nanonofy aho tany amin'iny faritra Alaotra iny ihany. Tsy azoko loatra na nofy aloha io na fahitana ary tsy haiko izay ho fahamarinany any aoriana any fa dia ampitaiko ihany sao dia marina ilay izy ary tsy raharahako na dia diso aza satria nofy anie e! Voalohany ary dia nanonofy nijery tele aho ary nanaraka vaovao an-tsary. Tsy mbola fahitako ilay lehilahy nanolotra ny vaovao an-tsary. Nojereko ny logo ary dia gaga aho fa mbs ilay tele. Tapaka iny nofy iny fa nitohy avy hatrany tamin'ity manaraka ity.

Nijery karazana kilalaon-tsaina aho ary niezaka namaha olana. Hitako tsikelikely ny valiny tamin'ny teny frantsay saingy tsy vitako hatramin'ny farany tsara fa tahatahaka izao no hitako: Le Père Pedro (Opeka?) va être mis en vacance (ou va être révoqué?). Zavatra tsy eken'ny fisainana fotsiny izao izany valin-dalao izany saingy soratako ihany aloha. Omena safidy ve ity relijiozy katolika ity sa tena izay no izy? Azo heverina ho nisy toe-javatra henjana dia henjana nitranga aloha raha izany no "sanatria" tanteraka. Tapaka indray iny ary niditra tamin'ny nofy fahatelo avy hatrany indray.

Nijery praograman'hazakaza-tsoavaly PMU indray aho ary gaga fa nisy hazakazaka iray (mialoha ny farany) dia "écurie" iray avokoa no mpifaninana nefa maro dia maro ny soavaly nandray anjara. Araka ny fandikako ilay nofy dia hoe samy ao amin'ny hetsika TGV na ao amin'ny FAT amin'izao fotoana izao avokoa ny mpifaninana. Efa manakaiky ny 20 ny mpandray anjara nefa tsy azoko tsara fa toa tsy noraharahian'ny mpilalao (mpiloka) loatra ity hazakazaka ity fa ny hazakazaka farany no tena narahin'ny mpiloka na dia atsasa-manilan'ny mpandray anjara teo aloha aza ny mpandray anjara tamin'ity hazakazaka farany ity (toa zara raha nahatratra folo?). Ny nampiavaka ity hazakazaka ity dia ny nahatafiditra ilay jokey antsoina hoe Rahuit voalohany tamin'ny hazakazaka. Ireo tao amin'ny "écurie" voalaza teo aloha moa dia tany amin'ny faramparany no tena nifaninana. Nofy izany ry zareo ka nofy sady ririnina rahateo ny andro.


Ny kabinetran'i Madama

Hiverina eto Antananarivo indray aho. Andro fahatelo androany alatsinainy 3 aogositra 2009 nivoahan'ny fanambarana avy amin'ny "Cabinet de la Premiere Dame, Présidence de la Haute Autorité de la Transition, Ambohitsirohitra" (Sirohitra amin'ny ahoana moa?). Fanambarana fa misy ny olona mampiasa ny anaran-dRamatoa Mialy Rajoelina amin'ny asa fanararaotana sy fisandohana. Amin'io asa fanararaotana io moa dia fanodikodinana entana ilaina andavanandro no tena mahatafiditra ilay anarany araka ny voasoratra. Tsy tafiditra velively amin'io resaka io izy araka ny fanambarana. Ilay fisiana kabinetra moa dia efa nahavariana ahy satria sambany no nahitako fa manana kabinetra i Madama saingy ao anatin'ny fampandehanan-draharaha angaha ny amin'izay.

Ny fisiana fanambarana aloha dia manamarika avy hatrany fa malaza dia malaza ny fisian'ilay raharaha ary mety hanamaloka ny anarany rahateo. Ny tena malaza anefa dia tsy izy loatra no miditra amin'ilay raharaha fivarotana zavatra ilaina andavanandro fa tahatahaka izao manaraka izao: Ny rahalahin'i Andry (cousin) no mandraharaha, ny zaobaviny no mpanome ny "ordre de route" ary ny Capsat kosa no miambina ny entana mandrapahatonga any amin'ny mpamongady. Marihiko fa mitatitra ny tsaho malaza aho fa tsy milaza velively aho hoe marina izany. Tamin'ny voalohany dia nalaza ilay afera ary nisy ihany ny mpamongady no niditra, fa nivadika tampoka hoe ny miaramila indray mandeha dia maro indray no nisalasala. Fa ahoana moa? Tsy maintsy aloa mialoha manko ny vola vao alefa ny entana. Tsy naterin'ny miaramila tany amin'ny nandoa ny vola hoe indray mandeha ny entana fa nentin-dry zalahy nody dia ry zalahy ihany no nivarotra azy avy eo. Tsy sahy nitaraina sy nametraka fitoriana ilay mpivarotra hoe satria afera maizina rahateo no nidirana. Na izany na tsy izany dia malaza dia malaza, eo amin'ny tsaho tsy voatery ho marina nefa tsy voatery ho diso ihany koa, ho manao aferan-dafarinina tahaka izao ihany koa ny praiminisitra tetezamita ary ny tena malaza indrindra dia izany nanaterana lafarinina be dia be tao amin'izany mpanao mofo iray ao amin'ny manodidina an'i Mahamasina ao. Saingy araka ny averimberiko eto hatrany hoe tsahotsaho izany fa anjaran'ny mpanao famotorana no manadihady.


Laza adina BEPC

Nanana ny lazany tokoa ilay laza adina malagasy tamin'ny BEPC farany teo iny. Nandeha nankany ambanivohitra manko aho ny Zoma faran'ny volana jolay teo iny ary nandeha fiara fitaterana izay saiky tambanivohitra avokoa no mpandeha aminy. Nihevitra ary ity namana tandrenivohitra iray fa tambanivohitra no iresahina noho izany mora ny mandresy lahatra azy ireo. Tsy maninona mihitsy iny, hoy izy, fa zavatra azo atao tsara. Ny mety ho olana kely fotsny dia tsy tokony ho tany amin'ny taranja malagasy no nnovana azy fa tany amin'ny tantara. Tamin'izahay nanala BEPC tamin'ny 1978 aza resaka boky mena no nanadinana anay. Nisy nitsatsaingoka avy hatrany, efa misy telo taona izany fa ny an'ny tetezamita anie ka telo volana e! Azo antoka ve ny valinteny amin'izany? Nanome toky ranamana fa efa fantatry ny mpanadina ny fomba fitsarana iny laza adina manontany ny fampandrosoana vitan'ny fitondrana tetezamita iny.

Nifandrimbonan'ny niara-nipetraka taminy amin'izay ranamana. Ny ahy aloha raha izaho no anontaniana dia fandrobana sy fanonganana an-dRavalomanana no hitako voalohany. Nanampy ny sasany : sady hita fa be fialonana fotsiny ry zareo no tena marina. Nangina tsy nanohy ny resaka intsony moa izy rehefa hitany fa tsy nisy nitovy hevitra aminy loatra ny iray fiarakodia. Nitsahatra tsimoramora ny resaka dia nitohy tsimoramora ihany koa ny dia...



jentilisa, 3 aogositra 2009 amin'ny 14: 41

FIS matahotra ho azo sary

2009-07-30 @ 21:07 in Ankapobeny


Zavatra maro no saiky hosoratana saingy misy ny lasa karazana vaindohan-draharaha kely! Tsy maintsy mitantara na dia fohy ihany ny nahazo ahy ny andron'ny alakamisy 30 jolay ihany manko aho. Rehefa nilaza haka fepetra ingahy Richard raha nahavita filaharambe tampoka ny mpandala ny ara-dalàna dia fantatro avy hatrany fa hisy zavatra hitranga indray eto amin'ny tanàna. Tsy fetsy ny mpandala ny ara-dalàna tamin'ity indray mitoraka ity. Rehefa fantatra fa maro ny miaramila sy zandary niambina an'Anosy sy Analakely dia tokony ho ilay hatrety amin'ny lalambaovao 67ha indray no niaingana, araka ny hevitro; mbola lesoka lehibe eo amin'ny mpitolona mandrakariva ny serasera haingana.

Noho ny raharaha hafa tsy maintsy natao dia tsy afa-namonjy na nijery ny teny Anosy aho. Mandalo an'Analakely ny tena ka nanararaotra naka sary izay azo nalaina teny. Hitako tsara fa karazana ramatahora ihany ny ataon'ireo fiaran'ny FIS miloko mainty fa ilay fiara Toyota fotsy tsy misy laharam-piara iny no mamely tampoka. Izay mihitsy angamba no paikan-dry zalahy ireto. Ny fijeriko azy dia ao anatin'io fiara fotsy tsy misy laharana io mihitsy aza no iaingan'ny baiko ho an-dry zalahy. Noho ny tena tsy manana fitaovam-pifamoivoizana afa-tsy tongotra dia tsy naharaka tsara ny fandehan-javatra teo Antanimena aho (rond-point). Ry zalahy tao anatin'ny Toyota mihitsy anefa no nandraoka, sanatria toa alika romotra, rehefa nahita ny afisy Ravalomanana Marc nentin'olona (renim-pinakaviana) teo. Izy efa rovidrovitra no hitako teny an-tanan'ilay miaramila io ireo afisy. Akaiky loatra aho ka tsy mbola namoaka ny fakantsary. Namonjy teo amin'ny fiantsonan'ny fiara fitaterana aho vao naka sary.

Tratra aoriana fa vao natsipin'ilay miaramila tao aorian'ny fiara indrindra ireo afisy nopotipotehiny fa voapika ilay fakantsary. Niteny ahy ilay rangahy teo anilako fa mbola misy olona enjehin-dry zalahy any amin'ny lalana mankany amin'ny CCESCA any. Nihazakazaka aho haka sary izany hetsika izany, voapika tsinahy indray ilay sary sady takon'ilay miaramila izay zavatra nitranga tao aloha tao. Tsy voafehiko tampoka ny fahamailoana fanaoko. Hay hitan'ily iray manao fanamiana manga ny fakantsariko. Tonga dia nanatona ahy izy no niteny ahy niaraka tamin'ny ompa: " Inona ny sary nalain'ialahy?" (miaraka amin'ny ompa io fa tsy soratana), "ao jerena! alefaso any aloha!" Tsy nampiseho azy izay sary nalaiko aho fa ny fakantsary vonona haka sary fotsiny no nasehoko azy. Tsy nesoriko teny an-tanako mihitsy ny fakantsary na dia navelako hikitikitika hikaroka izay sary nopihako izy. Tsy hainy ny nijery ilay fakantsary (tsy nesoriko tamin'ny tanako mihitsy sady vonona mihitsy aho ny hiaro ny fananako tamin'io fotoana io) dia navelany no sady niteny ahy izy hoe "tadidiko ialahy". Maro ny olona teo no nahita io tranga io.

Lasa aho nankeny amin'ilay fiantsonan'ny fiara indray sady nofafako ny fakantsariko satria tsembo-tanana be ilay miaramilan'ny FIS be kitikitika ny fakantsariko teo. Nifampijery indray izahay. Iny ranamana fa niantso ny namany sady nanondro ahy. Ny olona teo kosa nisy niteny hoe midira anaty bus sady tao an-tsaiko indrindra izay. Dia niditra aho. Hatreo ihany ny fitantarana fa manjary lava resaka indray. Mivoaka tsikelikely eo ny sombintsary tsy hitan-dry zalahy ny nalehany raha tsaratsara ny fifandraisana (efa kely dia kely koa anefa ny fahana ananako)

jentilisa, alakamisy 30 jolay 2009 amin'ny 23:09

Baomba nipoaka, hono, dia nisy nanafika, hono, ny Viva?

2009-07-19 @ 20:51 in Ankapobeny

Na dia nieritreritra ny tsy hanoratra intsony aza aho araka ny nolazaiko taminareo ao amin'ny twitter sy friendfeed mandra-pahatongako avy any amin'ny toerana vitsivitsy eto Madagasikara hotsidihako amin'izao vakansy ataoko izao dia tsy laitra ny aretin'ny fitiavan-kanoratra sy ny hevitra mibosesika fa dia nopihana indray ny solosaina dia notendrena ny vatamarobokotra.
 


Tsy nieritreritra izay hihaino radio sy hijery televiziona ny tena fa dia ny antso mifandimby ataon'ny any amin'ny faritany no nahenoako ny fisian'izany baomba nipoaka namely ny manamboatra azy teny Ambohibao izany sy izany fanafihana ny foiben'ny Viva Ambodivona izany. Nandeha tamin'ny TVM, hono, izany vaovao izany ka ny Kolonely mitovy anarana amin'i "dada" indray no nilaza ireo vaovao ireo tamin'ny mpanao gazety. Mbola fanontaniana ato amiko aloha ny hoe nantsoin'ireo mpanao fanadihadiana teny an-toerana nitrangan'izany fipoahana baomba izany ve ny mpanao gazety hanamarina ny fisian-javatra sa efa any amin'ny toby vao nampiantso ry zalahy? Raha Ambohibao dia Ambohibao taiza ho aiza tokoa aloha? Teny an-tsena ve? Akaikin'ny Ambasady Senegaly ve? Sao dia tao amin'ny CNME na FIS kosa? Mba hitan'ny rehetra ihany manko ilay fiaran'ny FIS tsy mitsahatra ny mihaodihaody (fihantsiana mihitsy fa izany hoe tsy ihogahoga azy mihitsy manko ny olona) mandalo mandrakariva ny anoloan'ny vavahadin'ny Auditorium nandritra ny fotoana ny sabotsy iny. Nitady gidraka ry zalahy saingy tsy nahomby (fa iza moa ny gazety hilaza izany?).

Efa somary nahavaka ahy ihany koa ny filazan'ny tao amin'ny FAT tao tamin'iny herinandro iny na talohan'izay tsy tsaroako tsara intsony fa hisy hetsika lehibe hataon'ny miaramila atsy ho atsy(!). Sao dia izay kosa ary ilay zavatra noketrehiny? ahiahy ny ahy aloha fa tsy voatery ho marina. Dia  nisy miaramila sahisahy tsy manana fiarovan-tena izany, hono, nidezamôrsa ny baomba teny amin'ny toby nahitana izany. O lehiretsy e! baomba tsy hipoaka kosa ve no dezamôrsena hipoaka moa? Ahiahy ihany ny ahy fa tsy voatery ho marina. Fa ny tena mahavariana amin'ity tantara ity dia amin'ny andro iantsoana ny ankolafy politika eto Madagasikara hifandamina any amin'ny foiben'ny Firaisambe Afrikana no nisian'ity tranga izay ny TVM no namoaka azy voalohany. Maninona moa raha tsorina fotsiny hoe tsy hanatrika velively izany fifandaminana any Addis-Abeba izany izahay dia vita kabary? Dia eto aho vao tonga saina nahita iny Jeep miaramila nandehandeha nivezivezy androany teny Analakely nizesta nanambana basy toy ireny misy fahavalo ireny eo anoloany.

Fa ny tena nampihomehy ahy dia ireo mpanapoaka baomba nibaradaka avy hatrany fa mpivory eny amin'ny Magro raha vao nohadihadiana. "Cinéma! Cinéma!" izay avy hatrany no hambaran'ny mpanoratra amin' izany rehetra izany. Ny fanazavana ataon'ingahy ao amin'ny zandary mihamalaza amin'izao fotoana izao, sady mitovy anarana amin'i "dada" rahateo izy araka ny itenenanany no mahamaizina ny zavatra ambarany. Nisy rangahy nahitana planina ny manodidina ny Viva sy ny Injet izany koa, taiza io rangahy nahitana planina io? Tany Ambohibao ve? raha tany manko dia tena milaza fahavendranana mihitsy ho an'ny roa tonta. Vendrana ny manao ny "fampihorohoroana" satria tsy fanao mihitsy izany mitondra "porofo" izany na inona na inona antony rehefa hanao zavatra tahaka itony. Vendrana ny "mpanadihady" satria dia tsy noraisiny ho zava-dehibe hanaovana fanairana avy hatrany ny fahitana "porofo" sahala amin'izany. Fa tahaka ny kisendrasedra ihany koa ho'aho e! Toa any Maorisy indrindra ny PHAT sy ny vady aman-janany no misy izao toe-javatra izao? Ahatsiarovako indray ny filoha Ratsiraka mivoaka any andafy izay dia misy zava-mitranga eto Madagasikara.

Fehiny: tsy aleo ve tonga dia miteny hoe horavanay amin'izay ianareo ao amin'ny Magro fa tsy mety mihena mihitsy ny isan'ny olona ao ka manahirana be ihany. Tsy aleo ve miteny hoe hosamborinay amin'izay ny mpitarika ary hogidrahanay izay mbola mitady hafana fo hankany amin'ny Magro manomboka alatsinainy 20 jolay 2009. Noho izany: fantatry ny mpitolona fa hanao ramatahora indray ny mpanongam-panjakana koa dia manantena aho fa ho tonga maro ny mpitolona io alatsinainy io. Mety ho efa hahare indray fa hoe nosamborina hoe  ranona sy ranona saingy tsy mila mikorapaka amin'izany. Aleo ho an'ny samy miaramila ny fifanandrinana amin'ny fitaovam-piadiana fa ny sivily fitakiana am-pilaminana tahaka ny mahazatra no tsara ataony. Handeha haka vakansy ihany ve izaho ity sa hahemotra indray ny dia e?

 
Anniversaire Thiera ny sabotsy dia io ny cadeau azony 
jentilisa, 19 jolay 2009, amin'ny 22: 53

Mety hisy zavatra hitranga tampoka? Ny famahanam-bolongana fohy (Twitter, friendfeed...)!

2009-07-15 @ 22:15 in Ankapobeny

Efa andro maromaro aho no te-hamoaka ity lahasoratra iray ity ka enga anie mba ho vita soa aman-tsara amin'izay. Mivoatra haingana dia haingana ny tontolon-tserasera nefa isika Malagasy amin'ny ankapobeny, ary tafiditra amin'izany ihany koa ny tenako izay manoratra, dia malaina mandrakariva ny handray zava-baovao. Izaho ohatra, noho ny fahateren'ny fotoana nefa te-hamoaka vaovao mandrakariva, dia voatery mihitsy vao niditra tamin'izany Twitter izany, saingy nahita fa indraindray toa tsy ampy hanoratana feno io tahala iray io no niditra ihany koa tamin'ny Friendfeed. Somary hitantara kely aho hanao jery todika nahatonga ahy higadona ihany koa any amin'ho ny famahanam-bolongana fohy (microblogging).

Efa mahalala angamba ny maro amin'ny mpamaky eto fa mpandika ho amin'ny teny malagasy ny lahatsoratra ao amin'ny Global Voices aho. Mazava loatra fa tsy maintsy ho mpamaky io vohikala iraisam-pirenena iray io aho. Efa mpandika teny tao aho no nalaza ny hitsanganan'izany facebook izany. Tsy dia taitra loatra tamin'izy io aho tany am-boalohany. Noraisiko ho natokana ho an'ireo nandalina tany amin'ny sekoly ambony any amin'ny firenena tandrefana io tambajotran'ny mpiserasera io. Volana vitsivitsy lasa izay tamin'ity taona ity aho vao niditra tao, satria nisinisy ihany ny rohy no nankany amin'ny Facebook nefa izaho izay mpandika aza tsy tafiditra any akory. Tahaka ny nampihomehy valaka ahy ihany io toe-javatra iray io. Dia tafiditra tao amin'ny facebook ny namana jentilisa. Tamin'ny ankapobeny dia ireo namana an-tserasera ihany no namana voalohany tao amin'ny facebook. Mba nitady mpiara-mianatra taloha tadidy anarana ihany aho tao fa tsy nahita mihitsy hatramin'izao na dia iray aza. Angamba noho ny tena avy any amin'ny sekolin'ny zanabahoaka no tsy dia nahitako loatra ireo notadiavina.

Tafiditra tao amin'ny facebook ary aho. Ny tena nanahirana ny saiko sy nampisalasala ahy ela dia ilay fitadiavany ny tenimiafina miditra amin'ny mailaka yahoo fampiasako. Efa tapa-kevitra ny hiditra manko aho indray mandeha no niato tampoka rehetra tratran'io fitadiavana tenimiafin'imailaka io. Ny resaka sovoka (piraty) no nahiako indrindra. Tapa-kevitra ihany rehefa ela ny ela fa aleo hitranga any izay hitranga fa hiditra aho sady tsy mbola nahare vaovao loatra hoe nisy tratran'ny sovoka tamin'ny fidirana io sehatra io. Kanjo tokoa moa dia tsy naninona loatra ny tena aloha hatramin'izao. Ny tanjon'ireo nanao ny tolotra facebook na ireo mpanome ny tolotra ho an'ny tambajotran'ny mpiserasera (réseau social) amin'ny ankapobeny dia ny lisitr'ireo mpifanerasera aminao amin'ny mailaka ihany no iaingany ka raha tsy misy dia mampandefa fanasana avy aminao ho an'ny namanao izy. Avy eo indray ianao mitady ireo izay tadidinao anarana dia mba nisy vitsivitsy aloha ny namako ao. Tao aloha no nahitako fa efa niha-niseho sary amin'izay ny Malagasy mpiserasera raha mbola maro ny natahotra tamin'ny nampalaza indrindra ny serasera.org. Hatramin'izao aloha ny fandraisako ny facebook dia miompana be dia be amin'ny fifandraisana mahaolona na dia misy aza ireo vondrona isankarazany azonao idirana.

Nitendritendry ny vatamarobokotra (clavier) indray ny tena hanoratra vaovao fohy tao amin'io sehatra io. Nahatsapa tena avy hatrany anefa fa tsy tokony ho ao no amoahana ireo vaovao fohy ireo fa sehatra hafa no sahaza izany, nefa tsy amin'ny bolongana mahazatra ihany koa. Ny mahazatra ny mpiserasera malagasy raha vao mahita ka mampita ny vaovao hitany dia any amin'ny dinika (forum) hatrany. Tsy dia mahomby loatra anefa ny famoaham-baovao any amin'ny dinika satria :  Voalohany vetivety dia mety hanjavona ny vaovao avoakanao no sady ny famoahan-kevitra sy ny faniratsiràna no tena manjaka any. Faharoa be ny mpamoaka vaovao any nefa tsy fantatra ny olona mamoaka ny vaovao, noho izany, sarotra ny mino izay ambarany. Sarotra ny fampitam-baovao raha vao tsy misy ny fifampitokisana ka izany no ilàna ny mahalala ilay na ireo mpamoaka vaovao. Mazava loatra fa ny vaovao no misongadina kokoa fa tsy ilay famoahan-kevitra loatra. Niditra tamin'ny Twitter indray i jentilisa amoahany izay hitany sy reny.

Rehefa niditra tao amin'ny Twitter dia nampitadiavany namana tamin'ny alalan'ny imailaka indray. Tsy nampatahotra ahy intsony ny amin'iny. Tao aho dia nahatsikaritra fa afa-mandray roa ity Twitter ity. Sady mametraka ny fifandraisana amin'ny mahaolona izy no famahanam-bolongana saingy famahanam-bolongana fohy ihany. Mitovitovy halavana amin'ny SMS amin'ny finday ihany ny halavan-tsoratra azonao alefa indray mandeha satria 140 ihany ny isan'ny tarehintsoratra zakany ary tafiditra amin'izany ny banga (espace). Ny tombony dia vetivety dia miely ny vaovao na resaka lazainao satria azon'ireo miray tambajotra manaraka ny soratanao (followers) avy hatrany ny hafatra alefanao. Tsy sahirana mivezivezy etsy sy eroa ihany koa ianao mikaro-baovao farany fa misoratra anarana amin'ny Twitter indray mandeha dia tena "aterineto" aminao avokoa izay lazain'ireo arahinao.

Mbola misy ihany koa ny kilema hafa ananan'ny Twitter. Ankoatra ny fisian'ny fandefasana hafatra manokana tsy hitan'ny ankoatra ny andefasana dia mety tsy ho azon'ny hafa mbola tsy misoratra anarana tamin'ny Twitter izay voasoratra nefa firesahana amin'ny hafa ao anaty tambajotra ny votoatindresaka. Tsy mifampitohy avy hatrany toy ny any amin'ny dinika (forum) ihany koa ny resaka fa toy ny mandefa SMS manokana hitan'ny besinimaro ianao. Voaarin'ny Friendfeed io lesoka io ka dia izay ihany koa no nahatonga ahy hiditra amin'ny Friendfeed.

Ao amin'ny Friendfeed dia afaka ampifanohizana amin'izay niandohan-dresaka ny famoahan-kevitra, fa mila misoratra anarana miditra amin'ny Friendfeed ianao raha te-hamoaka ihany koa ny hevitrao. Famahanam-bolongana fohy ihany koa ny Friendfeed saingy afa-manoratra lavalava kokoa ianao. Tsy azo atao lava loatra anefa fa sao tapaka, tohizana eo ambany eo amin'ny famoahan-kevitra indray izay soratanao avy eo. Afa-manohy ny resaka manampy anao ihany koa ny hafa. Izany hoe afa-manoratra lava ihany ianao amin'ny alalan'ny famoahan-kevitra tsikelikely araka ny fotoana anananao fa tsy voatery ho vita ilay lahatsoratra lavabe (toy ny amin'izao bolongako izao) vao avoakanao ilay lahatsoratra. Ny tombony hafa amin'ny Friendfeed ihany koa dia ny fisian'ny hoe like sy ny share. Tsy voatery mamerina manoratra ianao fa manindry ny iray amin'ireo fotsiny dia toy ny efa mizara bolongana fohy sahady ianao. Mampiely haingana ny vaovao ny fanaovana izany fihetsika mizara na milaza ny fitiavanao ny lahatsoratra na rohy izany.

Manana ny kilemany ihany koa anefa ny Friendfeed : Tsy dia natao loatra ho ana mpampiasa solosaina ifandimbiasana izy. Raha miditra amina solosaina iray aho ohatra ka miditra Friendfeed eo ka hivoaka Friendfeed avy eo dia tsy mety tafala (logout). Raha misy olon-kafa indray hiditra Friendfeed eo dia ho gaga fa ny Home-ko izay teo alohany no hahatafiditra azy avy hatrany ka ho toy ny afa-manoratra amin'ny anarako izy, eny fa na dia efa novonoina aza io solosaina io ka velomina indray dia izay no mitranga. Efa nisy nanoro ihany anefa aho ny karazan'ny hamafana izay nidirako tamin'ny Friendfeed ka mba tsy hidiran'izay taoriako amin'ny Home-ko dia izao manaraka izao no ataoko:

Any Ampiasana moa dia Internet Explorer no miasa any. Tany no nisy olana ananako fa tsy ny aty an-trano loatra. Ao amin'ny Internet Explorer niseraseranao tamin'ny Friendfeed ary dia mifantina ny Outils ery ambony ery aho. Misy fàfana kely mivoaka eo rehefa manindry ny Outils aho dia tsindriako ao indray ny Option Internet. Raha efa izay dia tsindriako indray ny Supprimer les fichiers ao amin'ny Fàfana Général. Misy fafana mivoaka indray avy eo eo manontany raha hofafana tokoa ny Temporary Internet Files fa manao OK ianao. Avy eo dia misintaka amin'ny Friendfeed tsy mety mikatona mody mijery zavatra hafa ianao. Azonao atao avy eo ny manamarina raha tena efa niala avy tao anatin'ny Friendfeed misy ny Home-nao ianao amin'ny fiverenana miditra Friendfeed indray (tsy mampiasa ny bokotra précédent). Ny ato an-trano indray moa dia Firefox no ampiasaiko, nefa mbola tsy nanandrana ny hamafa (izany hoe hivoaka Friendfeed) aho satria tsy misy loatra ny mifandimby solosaina amiko. Fa raha mitovitovy ny famafana hivoahana amin'ny Friendfeed dia miditra Tools ianao, dia misafidy ny Clear Private Data dia misafidy izay tianao hofafana ianao fa heveriko ho ny Cache no tokony hofafana aloha (na ny Authenticated Sessions fa tena tsy haiko aloha!). Tsy miantoka ny mety ho fahasimbana aho fa andramo ihany aloha.

Izay no ela fa ny fanamarihako farany, raha ny fanaoko teo aloha dia ny manasa anao hiditra amin'ny Twitter-ko no ataoko nefa ny tokony ho izy dia ny ao amin'ny Twitter no fanasana ny olona hamaky ny bolongana ary fanaon'ny mpamaham-bolongana fohy izany. Ny anjara toeran'ny bolongana sisa hatreto aloha dia ny fizarana ny vaovao lava na ny hevitra mila fotoana lavalava na eritreritra tsy tana. Misy ary moa ny namana iray milaza fa tsy misy ilàna ny mamaham-bolongana rehefa tsy ho hitan'ny olona iny, saingy ny eo ny tambajotra iraisan'ny mpiserasera hampiely ny fivoahany haingana dia haingana. Manory hevitra anao ary aho hiditra Twitter (siokamboronkely) na/sy Friendfeed (fahan'ny namana) dia hanaraka ireo mahaliana anao amin'izay namanao sy arahin'ny mpamaham-bolongana arahinao na ireo manaraka ny mpamaham-bolongana arahinao rahateo fa tsy tokony hanenina velively ianao fa ho afak'andro aza. Azo atao ihany koa anie ny hoe manangana tambajotra miteny malagasy ihany koa isika ao raha tianao e! sady ny mpanoratra rahateo efa manoratra amin'ny teny malagasy rahateo. Tsy terena ianao na dia izany aza!



jentilisa 16 jolay 2009 amin'ny 00: 16

Tafika Malagasy: mahafantatra ny fahavalony ve?

2009-07-08 @ 23:01 in Ankapobeny

Mihetsiketsika mafy ny mpitandro ny filaminana malagasy amin'ny ankapobeny amin'ny fanenjehana ny "mpampihorohoro", ary mikofoka mafy miaraka amin'izany ny Kolonely Ravalomanana Richard amin'ny famoaham-baovao avy amin'ny zandarimariam-pirenena. Malaza manerana ny gazety malagasy indray ny alarobia 8 jolay 2009 fa "nandefa vola 25 000€ na Ar675 000 000" hoe ny mpikambana (iray?) avy amin'ny GTT Paris hanamboarana baomba vita tanana eto Madagasikara". Miha-henjana izany raharaha izany, hoy aho anankampo. Dia aleo mampitandrina ny mpiray tanindrazana any ampielezana mandefa vola ho an'ny Malagasy eto an-toerana mba atsahatra aloha ny fanampiana fandrao lazain-dry zalahy fa volan'ny fampihorohoroana ihany koa izany... izay vao vita hatreo koa ny amin'nyWestern Union sy ny Moneygram fa tsy maintsy ho tratran'ny fanadihadiana isan'andro ry zareo ao izany fa mety ho volan'ny mpampihorohoro malagasy avokoa ireny. Fantatra ihany anefa ny firenena iavian'ny mpampihorohoro malaza manerantany nefa tian'ny mpanongampanjakana fatratra ho namana.


Miomana fatratra amin'ny mety iavian'ny mpanani-bohitra ihany koa ny tafikamalagasy amin'izao fotoana izao. Mampahatsiahy indray ny fiainan'ny miaramila nandritra ny repoblika faharoa miomana fatratra amin'ny mety ho fanafihan'ny Afrikana Tatsimo tamin'izany fotoana izany. Miverina indray io tranga io amin'izao fotoana izao, fa raha Fotsy mpanavakava-bolo-koditra no mpitondra io firenena io tamin'ny repoblika faharoa dia Mainty tompontany kosa no mitondra azy amin'izao fotoana izao. Mbola Afrika Atsimo ihany manko no firenena lehibe toy ny hazondamosin'ny SADC ahiana hananika an'i Madagasikara amin'izao fotoana izao. Variana amin'ny mpanani-bohitra mety ho avy anefa ny tafika malagasy ka tsy mahita ny mpanani-bohitra efa mamaka ao anatiny amin'izao fotoana izao.
 

Sary iray nanintona ny masoko tao amin'ny gazety l'hebdo de Madagascar tamin'ny 26 jona 2009 mitondra ny laharana 228, takelaka fanampiny pejy fahadimy, ireo sari-miaramila ao amin'ny efitra iray lehibe ao amin'ny Capsat Soanierana. Nanisa ireo miaramila teo anoloan'ny solosaina maromaro (mampahatsiahy ny 24 hour-n'i Jack Bauer) aho. Raha 16 mirahalahy no hitako dia mivandravandra fa raha vitsy indrindra dia 5 amin'ireo dia vazaha fotsy avokoa. Ny roa amin'ireo ihanykoa mbola ahiako ihany koa saingy tsy hita tsara moa ka ny vitsy indrindra ihany no lazaiko. Mazava loatra fa mpanofana ao amin'ny Capsat ireo miaramila hita miharihary fa vazaha ireo, ary ny fantatra fa manana fifandraisana ara-tafika akaiky amintsika aloha dia ny Frantsay ihany. Mazava loatra fa tsy misy miafina amin'ny tafika frantsay ny resaka rehetra momba ny tafika malagasy. indraindray aho te-hino ihany fa efa hatramin'ny niatombohan'ny fitondran-dRavalomanana no novolavolain'ireto mpampiofana Frantsay ireto ny sain'ny miaramila malagasy ka nahavitany nanongana ny filoha faratampon'ny foloalindahy. Tsotra ny nanaovany azy : Tsy tokony eo ambany fitantanana sivily izany ny miaramila.


Nambara ombieny ombieny ho fahadisoan-dRavalomanana Marc ny nametrahana ny minisiteran'ny fiarovam-pirenena ho eo ambany fiadidiana vehivavy (sivily?) ka hoe nahatezitra ny tafika amin'ny ankapobeny. Nolazaina ihany koa fa tsy mahalala ny fomban'ny raharahan'ny tafika ny filoha Ravalomanana (sivily) ka mampietry ny voninahitry ny miaramila. Izany no antony iray nananganana ny Komity Miaramila misahana ny Fiarovam-pirenena, izay araka ny fahalalako, tsy mandray baiko na avy amin'iza na avy amin'iza, fa manana ny fanapahan-kevitra farany manoloana izay mety ho fanafihan'ny vahiny. Tsy mahagaga amin'izao fotoana izao raha aderadera amin'ny haino aman-jery fa manao sarin'ady hiatrehana ny mpanani-bohitra ny manamboninahitra ambony ao amin'ity komity ity, ary mafana fo amin'izany ny ao amin'ny zandarimaria FIGN izay toby voalohany ihany koa nikomy tao amin'ny zandarimaria manokana. Ilay resaka fametrahana baomba iniana ankalazaina ihany koa etsy andanin'izany, amiko, dia fanairana ny tafika hiomana amin'ny ady, izany hoe efa ampidirina tsikelikely amin'ny lojikan'ny ady ny miaramila sy ny zandary amin'izao fotoana izao. Toy ny tongotra mby an-dakana aza io, tsy miverin-dalana intsony, ka ahiako fa rehefa tsy ho avy ny mpanani-bohitra noeritreretina dia hitodika hamely (efa namely eo amin'ny sehatry ny fitsarana) mivantana ireo mpitolona ho amin'ny ara-dalàna efa heveriny ao an-tsainy ho fahavalony ihany koa.


Fa toa, na iniana adinoina anefa ny "fahavalo" efa mamaka ao anaty izay hoe efa eto an-tanindrazana amin'izao fotoana izao, dia ireo namolavola tsikelikely ny sain'ireto miaramila ireto ary nahapetraka tsara fa namana sy mpiara-miasa mahafa-po ny tafika frantsay fa tsy tonga velively hanani-bohitra. Namana satria nanome voromby sy angidimby ho an'ny tafika malagasy ka, angaha tsy hitanao ireny nandritra ny matso tamin'ny 26 jona 2009 ireny? Fa iniana ampanginina ho'aho ny resaka sisintany izay ifanolanan'i Madagasikara sy Lafrantsa hatramin'ny ela. Misy nosy vitsivitsy takian'ny malagasy amin'ny frantsay haverina amin'ny tanindrazantsika dia ry Juan de Nova sy ry Europa izany. Tsy mihaino ny Frantsay fa hametraka fitrandrahana solika an-dranomasina amin'ny fari-dranomasiny (manodidina an'i Juan de Nova) ary efa manitsaka ny fari-dranomasin'ny Malagasy madio mangarangarana mihitsy aza... nefa tsy misy fifanarahana. Fa moa ve tsy hiaro ny sisintanin'i Madagasikara no antom-pisian'ny tafika? Koa nahoana no minia mikimpy amin'ity raharaha iray ity? Hangalatra ny solik'i Madagasikara anie izany i Frantsa e!


Izao manko no manana tombontsoa betsaka indrindra ny miaramila ka tsy fantany akory na hamaivaniny ny lanja ara-toe-karena ny zava-mitranga any amin'ny fari-dranomasintsika. Saingy ny iavian'ny ady rehetra anie rehefa tena dinihina tena mifototra amin'ny toe-karena fa fomba itantanana azy fotsiny ny politika. Efa nahazo fanampiana tamin'ny tafika frantsay ny tafika malagasy ka inona moa no antony iadiana, hoy angamba ny fanontaniana, fa manahy aho hoe matoa tsy mihetsi-bolomaso amin'izany ny Komitin'ny Miaramila dia sao sanatria sanatria miray tsikombakomba? aza misy anie izany! Na ataoko hoe tsy mila hevitra avy amina sivily aza ny tafika dia nilaza ny hevitro ihany aho. Izaho Soldat auxiliaire de 2eme classe nandritra ny fanompoam-pirenena ivelan'ny tafika kosa ve no hibaiko manamboninahitra ambony?



jentilisa, 9 jolay 2009 amin'ny 01:02 maraina.

Ny ako sy ny hevitra momba ny fankalazana ny 26 jona 2009 -fizarana voalohany-

2009-06-28 @ 22:31 in Ankapobeny

Efa nandalo sahady ny andro fahatsiarovana ny nitsingerenan'ny namerenana tamin'i Madagasikara ny fahaleovantenany. Tsorina fa tsy dia nisy loatra ny fiantraikan'izany tamiko, na dia sambany aza, taorian'ny 10 taona mahery be niasako ao amin'ny orinasa iasako ankehitriny no mba tsy niasanay io andro fety io. Ny hany tombony dia mba afaka nanaraka tsara ny zavamisy araka izay tratran'ny heriko aho, nefa dia lasa tsy nisakafo atoandro tao an-trano indray saingy misy dia misy ny antony.



Ny andro fiomanana

Mieritreritra ny hanao fety makotroka ny mpanongam-panjakana mifehy ny firenena amin'izao fotoana izao, sady talentany mihitsy io taranja iray io, ka nanapatapaka lalana vitsivitsy azo heverina fa afovoan-tanàna nanomboka ny tolakandron'ny zoma 25 jona 2009. Tratran'izany fahatapahana izany ohatra ny arabe midadasika manoloana ny fiaro Ampefiloha sy ny arabe etsy Soarano hihazo ny Gara iny. Mazava loatra fa lasa any ambadika (andrefana) ny Carlton ny lalana rehefa hihazo an'i Mahamasina sy avy any Mahamasina ary lasa lalana ifanenana ny arabe manoloana ny biraon'ny Boriborintany voalohany Ambodifilao Soarano. Raha tsentsina tanteraka noho ny tranga tahaka izao io lalan'ny fiara manoloana ny Boriborintany voalohany io ny alarobia 24 jona 2009 tolakandro noho ny fifamezivezen'ny fiara sy fahafenoan'ny mpivarotra amoron-dalana dia zara raha nisy fiara teo ny ampitso. Fay daholo angamba ny mpitondra fiara rehetra ka naleo najanona an-trano io fitaovam-pitaterana io. Nahagaga mihitsy fa lasa toy ny tolakandron'ny andro tsy fiasana ny afovoan-tanàna tetsy Analakely, Tsaralalàna ary Soarano tamin'io fotoana io. Tsy misy fiara mifamezivezy firy fa ny mpandeha an-tongotra no hany manjaka ary mahazo mandeha afovoan'arabe tsy misy ahiahy aza. Mba mihena izany setroka mpandoto tontolo iainana.

Ny lalana fotsiny anefa no nobahanana, fa araka ny fijeriko manokana dia tsy nahazo olona betsaka akory ilay fampisehoana atao eo anoloan'ny gara. Zara raha nahafeno ny fitobian'ny fiara manatrika ny tsangambaton'ny fahalalahan-gazety ireo manatrika dia izay. Efa fambara ho an'ny mpikarakara izay tranga izay. Azo heverina ihany anefa fa tsy te-hifangaroharo amina olona mampiahiahy izay mety ho liana hijery. Iza moa no tsy  mahalala fa na dia tamin'ireny tolona nataon-dry zalahy tamin'ny voalohan'ny taona teo amin'ny kianjan'ny 13 mey ireny aza dia tsy menatra mihitsy ireo mpangaro-paosy manao ny asany tanaty olona? Toa ry zalahy indray manko no nameno ny lohalaharana sy tao anaty vahoaka somary mba mifanety ao. Tsy maintsy mihatakataka somary manao tazan-davitra noho izany izay mbola te-hijery fampisehoana maimai-poana.

Nilatsaka ihany ny aizina, efa tsindrian-daona sahady ireo izay te-hijery afomanga hihazo an'Anosy toerana mahazatra ho amin'izany karazana fampisehoana izany. Betsaka ihany koa anefa mieritreritra ny hivezivezy handeha amin-toeran-kafa fa matahotra ihany fandrao misy baomba mipoaka any anaty vahoaka any. Misy anefa ny fanao hita fa mivandravandra ny fahapotehany rehefa mandeha mivezivezy teny afovoan-tanàna ianao amin'ity alina mialoha ny fetim-pirenena ity. Tsy nahita ankizy nampilaharina amin'ny arendrina taratasy intsony aho. Nahatsikaritra ihany koa ny maro fa ifampitadiavana mihitsy ny arendrina taratasy tamin'ity indray mitoraka ity. Izaho manokana dia tsy nahatsipalotra mpivarotra azy io mihitsy fa dia ny olom-pantatra ihany no mifanoro amin'izay ahitana ny mpivarotra azy. Ireny piapiaka shinoa tsy dia tiako ireny no betsaka nefa tsy dia mbola maharesy lahatra ahy aloha izy ireny. Ny arendrina manko mila ilay afo mihitsy fa tsy hoe hazavana fotsiny ihany. Ahoana moa izany?



Fa inona ny lanjan'ny arendrina?

[arendrina]
Tamin'ny andro fahagasy dia nandritra ny voalohan'ny taona (andro fandroana ihany koa no nilazana azy) no nitondrana ny arendrina manerana ny tanàna na nivezivezena. Ny afo amin'ny arendrina tamin'izany fotoana izany no endriky ny fandroahana ny fanahy ratsy mialoha ny idirana ny taombaovao indray. Fotoan-dehibe indrindra teto anivontany ny fandroana satria mankany an-tanindrazany hihaona amin'ny havana mpiray fiaviana avokoa ireo mila ravinahitra rehetra. Nisy ny fotoana manara-bolana ny andro ankalazana ny andro fandroana io, tamin'ny fotoana nanjakan'i Ranavalona fahatelo kosa dia naraikitra ho 22 novambra fitsingerenan'ny andro nahaterahany io andro fandroana io. Rehefa zanatany frantsay isika dia nafindra ho 14 jolay, fetim-pirenena frantsay, io andro fandroana io. Mazava loatra fa lasa fanao ny fitondrana arendrina rehefa tonga ny fetim-pirenena frantsay, ary nandritra ny fanjahanantany no nihafoana tsikelikely ny lazan'ny fandroana, ka lasa zavatra mifandraika amin'ny fivavahan-drazana sisa no ankalazana ny Alahamadibe na ny Taombaovao malagasy izay tsy ifanarahan'ny mpandala azy intsony ankehitriny ny andro ankalazana azy.

Tamin'ny fiandohan'ny niverenan'ny fahaleovantena malagasy dia mbola ilay arendrina fahagasy izay nentina tamin'ny alalan'ny hazo izay misy bozaka na vorodamba lemana jabora arehitra eny amin'ny lohany no nampiasaina fa noho ny loto navelany ny ampitso dia nosoloin'ny arendrina taratasy (antsoina hoe fanala) tsikelikely ny toerany. Tsy dia niteraka olana loatra ho an'ny fiaraha-monina ny nivadihan'io arendrina io ho fanala, satria hitan'ny rehetra fa tsy misy ny loto aterany nefa mahafinaritra ihany koa ny mijery azy ireny maro dia maro sy amin'ny loko isan-karazany.
Ataoko fa maro dia maro amintsika no mbola mankafy ireny fanala ireny. Ao anaty taratasy nokalian'ny mpanao asa-tanana no mandrakotra ny labozia misy afo mirehitra, entina mody an-trano dieny mbola misy afo fa ny olona misaona no tsy mitondra afo mody. Noho izay endrika sy hevitra izay no tsy itiavako loatra ny piapiaka shinoa satria hazavana fotsiny no entin'iny fa tsy taratra mihitsy ilay afo fandroahana fanahy ratsy, marina fa angovo no mamelona ny jiron'ireny piapiaka shinoa ireny fa ilay afo hita maso no ilaina. Mazava loatra fa matahotra ny tsy hahalafo ny mpanao asa-tanana matoa tsy niraika loatra tamin'ny fanamboarana fanala na arendrina taratasy. Tamin'izahay mbola kely ihany koa dia nahafinaritra anay ny nanao jiro kapoaka, izahay ihany no nanamboatra azy ka nisy aza ny fotoana ny ankizilahy no mitondra jiro kapoaka toy ireny mitondra môtô an'eritreritra ireny fa ny ankizivavy kosa no mitondra arendrina.



Fa inona no nandrava ny tarazon'ny fitondrana arendrina?

Tsy dia mandehandeha fotsiny amin'izao io faharavan'ny tarazo iray manavaka ny fetin'ny fahaleovantena io eto Antananarivo. Voalohany amin'izany aloha ny faharavana ateraky ny fiainana an-tanan-dehibe. Afaka miara-monina tsy mifandray ny mpifanolo-bodi-rindrina ka ny fifanenana an-dalana ihany sisa no ifankafantarana hoe itsy mipetraka eto akaikinay. Tsy misy intsony noho izany ny fihavanana mafy sy akaiky hany ka tsy hita loatra ny fiaraha-manatontosa zavatra iray tahaka ny miara-mandahatra ny ankizy iray tanàna. Fahabangana iray ihany koa ny tsy fisiana mpitarika na olona manantalenta amin'ny fitarihana (leadership), na olona manetry tena mamolavola fandaharam-potoana ho an'ny fokontany ohatra. Tsy nisy ihany koa na tsy naheno aho na tsy nahita fiomanana ho amin'ny fankalazana ity fetim-pirenena ity isam-pokontany. Tena samy maka ho azy ny olona... tafiditra tsara ao amin'ny fiainana an-tanandehibe samy maka ho azy ny mpiara-monina.

Faharoa manaraka izany ny fahasamihafan-kevitra miteraka fiatakatahana. Na ahoana na ahoana, monina aty amin'ny faritra ahitana ny foko rehetra manerana an'i Madagasikara ny tena dia soritra ihany ny fisarahambazana eo amin'ny mpiara-monina. Lasa manampy ny fahasamihafana foko na fiaviana sy fivavahana ny tsy fitoviam-pijery eo amin'ny sehatra politika. Tsy vitan'ny hoe zary miara-monina sisa izany ny iray fokontany fa misy fifampiandaniana miafina ihany koa ary sakana lehibe ho amin'ny fiaraha-manao zavatra izany toe-javatra izany. Mampibaribary ny mahalatsaka an-katerena ny fiaraha-monina mihitsy ity fety indray mitoraka ity ka tsy tokony odiana fanina velively.

Fahatelo manaraka izany indray ny fanjakan'ny toe-tsaina kamo sy tsy vonona hikaroka fa ny handray na hividy vonona fotsiny. Ao anatin'ny fiainana an-tanandehibe ihany dia ny fifanakalozambarotra no tena manjaka. Noho ny fieritreretana mandrakariva ao anaty ao fa "sarotra ny fiainana" nefa tsy te-hisahirana dia izay hita fa mora ihany no vidiana. Tsy mahagaga raha amin'ny amin'ny piapiaka shinoa kokoa no ironan'ny maro. Tsikaritro ihany anefa fa tsy ny ankizy rehetra no mitondra arendrina na piapiaka fa toa solontena ihany no mitondra azy. Tsy resaka solontena velively anefa no anaovana azy ity fa ny rehetra mihitsy no tokony hitondra. Rehefa miteny hoe ny rehetra aho dia ny lehibe ihany koa tafiditra ao anatin'izany. Noho ny tsy fahalalana ny heviny intsony angamba dia lasa ny ankizy sisa no ampitondrana arendrina na fanala. Fantaro fa misy dia misy ihany koa ny mahafinaritra ny maso tadiavina amin'itony fitondrana arendrina itony ka izay no ikarohana izay hahamaro ny mitondra azy fa tsy ny hahavitsy azy velively. Io fahakamoana io ihany koa no nandrava tsikelikely ny tarazon'ny fitondran'ny olondehibe indrindra indrindra ny arendrina. Toe-tsaina manimba ve ny fieritreretana hoe efa lehibe aho ka tsy tokony hitondra arendrina intsony, na hibaikobaiko sisa? Indrisy!

Ary ny hitako farany fa nandrava ny tarazon'ny fitondrana arendrina ihany koa dia ny fahamehana hijery afomanga rehefa amin'ny alina. Tsy ilay miara-mirona mitondra arendrina mandray anjara amin'ny fanomezana fahafinaretana intsony no mahamaika ny olona fa ny hijery fahafinaretana ataon'ny mpitondra na mpitantana. Mampidi-doza eo amin'ny tarazo izay fomba fironan'ny saina izay, ary azo itarafana ihany koa fa tsy te-handray fanapahan-kevitra na handray andrakitra ny olona fa ny hafa no andrasany, nefa be fialonana mandrava efa rehefa misondrotra ny hafa avy eo. Mihevitra aho fa ny mahatonga izany fironana izany ny fandefasana mialoha loatra ny afomanga. Lasa tsy miraika loatra ny hanao arendrina ny olona rehefa manakaiky loatra ny fotoana fandefasana afomanga fa ny hijery no mahadondona. Sosokevitro noho izany ny tokony hanemorana araka izay azo atao ny fandefasana ity afomanga ity. Maninona moa raha amin'ny sivy ora alina any mihitsy vao alefa? izany hoe mba efa tapi-mihinana ny olona amin'izany fotoana izany, mba misy ihany koa ny fotoana andehandehanana itondrana ny arendrina. Aoka kosa tsy ho fialana bala ny filazana fa ny fandrosoana no tsy tokony hanaovana arendrina intsony.



Mandritra ny alina fiomanana

Hiverina amin'ny fitantarana indray aho taorian'izay fanazavana lavalava izay. Tsy toy ny teo aloha ny mpijery afomanga tetsy Anosy tamin'ity indray mitoraka ity. Tena vitsy tsy araka ny nanampoizana azy ihany koa ny mpijery afomanga. Nalalaka ry zareo ny arabe manodidina a! azon'ny fiara nifamezivezena mihitsy raha navela handeha ny fiara. Gaga mbamin'ny avy any amin'ny toeran-kafa manararaotra hijery ny afomangan'ny renivohitra. Ry zareo aza dia loa-bava niteny hoe vitsy olona. Ny Afomanga ve moa tsy hahafinaritra mandrakariva? Fa vantany vao tapitra hoy ry zareo (izahay aloha tsy niaraka tamin'izy ireo fa tsy niraharaha izay afomanga izahay tato an-trano... na ny nijery tany amin'ny terrasse aza tsy natao) ilay afomanga dia toy ny olona mahana izany avokoa izy rehetra nanao dia maika nody. Nanjary nampatahotra tampoka ny nody, tahotra inona? karazan'olona mampatahotra ve? Sa lasa mampanahy ny fodiana fa tsy hisy ny hiara-dalana mandrapahatonga any amin'ny fonenana?

Raha tsy nahafahana nihetsika mihitsy ny arabe hodiana rehefa nisy ny afomanga tany aloha tany dia gaga izahay fa vetivety ry zareo dia efa tonga taty an-tano sahady nefa dia an-tongotra no nataon-dry zareo. Mety ho lesoka lehibe tamin'ity indray mitoraka ity, ankoatra ny tsipoapoaka hafakely ny tsy nahafahan'ny fiara nivezivezy loatra nandritra ny atoandro, tsy noho ny fitohanana fa noho ny fanapahan-kevitry ny mpitantana ny tanàna tia manao...barazy nefa tsy mahazaka akory ny barazy ataon'ny hafa. Mazava loatra fa tsy hisy hitondra fiara lavitra azy tsy misy miambina amin'ny alina ireo zatra nijery afomanga nipetraka eny ambony fiara fahiny. Eo ihany koa ny fifampiahiahiana. Fa ny tena mahonena dia ny teo Analakely. Tsy mahalala ny zavatra tsara sy nokolokoloina intsony ny olona mpankeny, tsy mahagaga raha maty hitsaka ny bozaka mba nisy endriny ihany. Ny fofona manodidina ny Lapan'ny tanàna mbola eo ampanamboarana moa dia mampahatsiahy ilay CUA antsoina hoe Commune Urinoire d'Antananarivo fa tsy Commune Urbaine d'Antananarivo. Tena tsy ampy isa mihitsy moa ny trano fidiovana? Eo ambadiky ny Lapan'ny tanàna io indrindra manko dia misy efitrano laalava fidiovana fa ilay mandoa vola mihitsy angamba aloha no tsy tian'ireto mpirevy amin'ny alina ireto. Izany anie, na aiza na aiza no misy ireto mpirevy ireto dia manjono an-tanety avokoa ny lehilahy e! (mivalandrano no tiako lazaina anareo sao tsy azonareo: mbola an-dalana hody aho nandritra ny afomanga ary izany no nahitako ny fanaon'ireo mpirevy ireo. Sarotra aloha ny tsy hiteny fa ireo HEVERINA ho sarangan'ny madinika no tena maro an'isa amin'ny olona mpivezivezy ary manahy aza aho fa tahaka ny anaovany ny any aminy tsy misy toeram-pidiovana manokana no anaovany ny tanàna rehetra 'sady efa mihevitra ny tenany ho tompon'ny tanàna ihany koa ry zareo. Raha ny resaka ankalamanjana aloha dia ry zareo tanteraka no tompon'ny fety.

Efa lava loatra tsy araka izay niheverako azy sahady ny lahatsoratra ka aleo asiana fizarany fa andro manaraka ny andron'ny Zoma! na izany aza dia efa vonona ny fandefasako vaovao tapatapany ao amin'ny twitter. Ary efa misy andian-tsary rahateo navoakako ao amin'ny tahirintsary jona09.



jentilisa 29 jona 2009, amin'ny 00:30

Sao diso fandraisana ny atao hoe tsy mananga-tsaina?

2009-06-24 @ 11:30 in Ankapobeny

Mahoraka dia mahoraka ankehitriny ny fanentanana hananga-tsaina, na sehatra fiainana andavanandro na eto an-tserasera. Amin'ny sehatra andavanandro dia hita tokoa fa mihamaro ny mananga-tsaina nefa misy dia misy ny midrikina toa anay tsy mety hananga-tsaina, ary ampiako hoe arantiranty an-trano. Tsy hoe tsy miraharaha ny fiandrianam-pirenena mihitsy izahay raha tsy mananga-tsaina ary tsy mampaninona anay na dia rabirabiana aza izahay hoe tsy misy saina. Tsoriko fa misy dia misy ny antony tsy hananganay saina ary raha jerena ny dokambarotra an-gazety dia mibaribary amiko ny tian'ity fitondrana ity asongadina fa raha eo ihany ilay teny hoe fahaleovantena dia ny fetin'ny foloalindahy no tena asongadiny.

Voalohany aloha, efa mahazatra ny hevitra hoe "tsy manaiky ny fijoroan'ity fanjakana ity izahay" no tsy hananganana saina sy ny hoe "miverina ho zanatany indray" ka inona no antony hananganana saina (amin'ny trano). Fa misy dia misy ihany koa ny fahitako fa tsy manaiky ny maha-anay anay ihany koa ity fitondrana ity. Raha miteny aho hoe izahay dia ny lehilahy tsy foloalindahy izany. Jereo ny dokambarotra: rehefa tsy foloalindahy sy ry zareo dia tsy lehilahy! Sarin-jaza amam-behivavy ihany no tena asongadina (hita hatraty amin'ny serasera fa ny vehivavy no tena tsy manaiky izany tsy mananga-tsaina izany ary fantatry ry zareo izany, misy anabavy iray izay aza moa tena masiaka dia masiaka tamiko mihitsy nefa aho tsy nanery azy velively na hanisy teny sompirana hanaisotra ny saina efa natsangany (an-trano).

Raha atsangana amin'ny trano ihany koa ny saina, dia rehareha sy fijoroana amin'ny mahamalagasy izany. Marina dia marina tokoa izany! mirehareha amin'ny sainy ihany koa ny Palestiniana saingy tsy midika velively izany fa mahaleotena ara-politika i Palestina. Afaka mirehareha ihany koa isika fa manana sainam-pirenena. Ny sainam-pirenena no fanehoana hita maso ny fiandrianam-pirenena (symbole) fa inona kosa no tena manamarika izany fiandrianam-pirenena izany? Koa aza tsiny indrindra raha tsy mananga-tsaina aho fa tsy hitako izany fiandrianam-pirenena izany rehefa dinihina fa ny tombotsoa frantsay no tena nandray anjara mavitrika tamin'ny fanonganam-panjakana, ary mba manana ny tombotsoany amin'izany ihany koa ny Amerikana. Ny manahirana manko, ny Lalampanorenana na ny Dinampirenena no mametraka fa ny lokon'ny saina dia fotsy mena maitso, koa nahoana no faly ianao manangana io saina io nefa ny Lalampanorenana mamaritra ny lokon'io saina ahantonao? Manao zavatra tsy ampiheverana fa entin'ny fahazarana fotsiny anie izany ianao e! Mariho mazava tsara fa azo ovaina ny lokon'io saina io raha izany no tondroin'ny Lalampanorenana.

Aoka ihany koa holazaina fa tsy mety mihitsy ity filazana hoe maitso fotsy mena ity ny fanonona ny lokon'ny sainam-pirenena malagasy. Tsy saina Italiana akory izy io fa ny loko manaraka ny taho no tononina aloha (iny tsinona no ankavia amin'ny sary ary rehefa mamaky soratra isika dia avy any ankavia no miankavanana, dia toy izany ihany koa no tokony hamakiana ny sary), izany no tokony hanononana ny loko voalohany ho fotsy; dia avy eo ambony ihany koa no tononina vao midina ambany tahaka ny mamaky lahatsoratra ihany ka izay no anononana ny mena alohan'ny maitso. Noho ny fahazarana tsy manisy fisainana no mahatonga ny teniteny foana hoe maitso fotsy mena. Eo ihany koa ny mety ho fahazaran'ny teo aloha manonona ny manga fotsy mena fony mbola nozanahina mivantana i Madagasikara. Dia zatra ho azy ny hoe maitso fotsy mena avy eo nefa tsy mifanaraka amin'ny fomba famaky ny saina mihitsy io mahazatra ny maro io. Tokony hisy lanjany ihany koa izay lazaiko io. Dia lasa fahazarana tsy ahalalana izay tena antony ihany koa ilay mananga-tsaina an-trano.

Etsy ankilan'izany, tsy maintsy lazaina fa tsy hoe mijanona hatreo ny resaka. Mitondra ny sainam-pirenena kosa izahay eny amin'ny fihetsiketsehana izay ataonay. Mitondra ny anjara birikinay izahay amin'ny fanehoanay ny fankalazana ny fetin'ny fahaleovantena. An-tanana no anangananay ny sainam-pirenena satria mbola mila averina izany fiandrianam-pirenena izany. Hevitro manokana, matoa mananga-tsaina amin'ny tranony ny olona dia mirehareha amin'ny toerana misy an'i Madagasikara amin'izao fotoana izao izy! sanatria mananganagam-poana tsy amin'ny antony ny mariky ny fiandrianam-pirenena (ny saina) nefa ny fototra mamaritra izany fiandrianam-pirenena izany nahantona amin'izao fotoana izao. Raha entina an-tanana kosa ny sainam-pirenena dia mbola mandeha mikaroka na mamerina izany fiandrianam-pirenena izany izay mitondra na mankasitraka izany fitondrana ny sainam-pirenena an-tanana izany.


Hita tsara fa naato avokoa ny andrim-panjakana voasoratry ny ny Lalampanorenana rehetra, eo aloha ny Prezidansa, dia eo ihany koa ny antenimiera roa tonta, dia efa norenesintsika ihany koa fa nosoloina ny mpikambana ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana... asa mifanaraka amin'ny inona ao amin'ny Lalampanorenana ihany koa no nanaovana izany fanovana izany. Voahosihosy tanteraka ny Lalapanorenana mandrafitra ny fiandrianam-pirenen'i Madagasikara. Tsy misy fanajana ilay Lalampanorenana intsony ka moa tsy karazana fanesoesoana ny fananganana ny saina fotsy mena maitso nefa ny lalàna fototra mametraka izany lokontsaina izany tsy hajaina? Izay no ilazako indray hoe entinay an-tanana indray ny saina rehefa manao fihetsiketsehana izahay entinay hamerenana ny fiandrianam-pirenena no anton'izany. Tolona ny anay ary izay ny fomba fijerinay.

Mamarana izany dia indreo koa misy sary vitsivitsy maneho ny fandravana natao tamin'ity taona ity ka maharesy lahatra anay fa haverina ny fiandrianam-pirenena amin'ny fitondranay ny sainam-pirenena an-tanana fa tsy ajoro an-trano izay fanekena ny esoeso ataon-dry zalahy tsy manaja ny Lalapanorenana akory. Sary eo Behoririka io naseho io ary toerana iray no niverimberenana nalaina sary.

 

 

Tena misy ilay piratazy amelezana ny mpanohitra ny FAT

2009-06-19 @ 22:13 in Ankapobeny

Araka ny tsikaritrareo mpamaky eto amin'ny Maharesaka...VETO dia niala ny lahatsoratra farany napetrako mitondra ny lohateny hoe: "Nahoana no tsy hananga-tsaina?". Tsara aloha ny manamarika fa tsy ny mpanoratra velively no nanala iny lahatsoratra farany, izay indro haveriko aminareo manontolo indray, iny fa fanafihana piratazy (sovoka an-tserasera no filazako azy manokana ataoko soso-kevitra rahateo) nahazo ny namana serasera saiky izy iray manontolo ka tratrany ihany koa ny blaogy.com iantranoako. Raha sanatria moa avy ny tsy fahatafavoahan'ny jentilisa.blaogy.com dia velomina indray ny jentilisa.blogspot.com izay efa nisy ahy ihany teo aloha.

Efa andro maromaro lasa izay no nisy nampita vaovao taty amiko fa misy vondron'olona (na firenena) manana tombotsoa manokana amin'izao mpanongam-panjakana ankehitriny izao, manakarama manam-pahaizana manokana amin'ny fisomparana vohikala avy any Shina roa tonta, Rosia ary Okraina hisompatra sy hamotika hatramin'ny farany mihitsy ny vohikala malagasy rehetra, na miteny vahiny na miteny malagasy, mamofopofona tsy dia fankasitrahana loatra ny FAT (Fahefana Avon'ny Tetezamita). Volabe tokoa no hanakaramana ireo manampahaizana manokana amin'ny fisomparana an-tserasera ireo (Hackers). Matanjaka loatra manko aty an-tserasera ireo mpanohitra ny FAT ireo ka lalana iray hitan-dry zareo hanitsiana ny lesoka ny gafy tsy misangy.

Tamin'ny nandraisako io hafatra io, izay nomeny ahy manokana mihitsy noho ny fitiavany mamaky ny bolongako ary tiany raha mba izaho no namoaka azy voalohany araka ny fahazoako azy, ka ankasitrahako azy indrindra io fihetsika io dia lasan'eritreritra avy hatrany aho nefa nisalasala ny amin'ny hamoaka azy eo no ho eo. Takina tanteraka tsy misy lahatsoratra mivoaka intsony ny Topmada, nisy fotoana nisy olana teknika tao amin'ny mydago saingy tafaveriny tsikelikely ihany ny very rehetra dia indro koa fa very tampoka ihany koa izay oasoratra faramparany teto anivon'ny namana serasera ka tafiditra amin'izany ny blaogy.com. Fifanandrifian-javatra ve sa porofon'ny tetika maty paika? Ireo aloha no tena fandehanako ary manaitra ahy avy hatrany raha ao misy zava-mitranga kely.


Momba ny Topmada manokana

Mampisalasala ahy ihany ny amin'ny Topmada izay tsy namoaka lahatsoratra vaovao intsony. Heveriko manko fa mety ho antony hafa fa tsy fisomparana no nahazo azy ankoatra ny hoe hitan-dry zalahy angaha ny tenimiafina novainy ka tsy tafidita intsony ny tompony nefa sarotra ho ahy manokana ny amin'izay lafin-javatra izay. Hevitro manokana dia nijanona avy hatrany ny mpandrindra raha vao nihaniroborobo ny fankahalana Frantsay nefa ny tenany aza Frantsay. Mety ho nanafintohina ho azy ihany ny fironan'ny toe-draharaha ka niatoany tsy hamoaka na inona na inona intsony. Tombatombana ihany anefa izany fa tsy fantatra izay tena zaamisy marina ary aharihariko ny filazana fa tombana ihany ny momba ny Topmada io.


Mampieritreritra ilay fetin'ny foloalindahy

Miverimberina amin'ny fahitalavitra vitsivitsy ny dokambarotra momba ny fetimpirenena sy ny fanentanana ny tokony hananganan-tsaina ho mariky ny fiandrianam-pirenena ary mifanindran-dalana amin'izany ny fetin'ny foloalindahy malagasy izay ankalazaina ny andron'ny 26 jona ihany koa. Fa nisarika ny saina ny nandre ny fanentanana natao ho toy ny fomba fiteny filalao amin'ny sarimihetsika nefa natao amin'ny teny frantsay. Angamba hitan-dry zareo tsy mahasarika loatra ilay teny malagasy rehefa nohenoiny ka dia ny tamin'ny teny frantsay (na notsoahina tamin'ny sarimihetsika vahiny mihitsy aza) no nentina nanaovana ny dokambarotra. Ry teny malagasy ô! fa inona ity atao anao?

Tsy maintsy mba taitra ihany ny tena amin'izany satria tiana nasongadina ny anjara toeran'ny tafika malagasy saingy ny teny frantsay no hitako nisongadina kokoa. Ny tena mandreraka manko dia ny fandrenesana vaovao maro samihafa, toy ny filazana fa vao nosoniavina mangingina ny fifanarahana teo amin'ny tafika malagasy sy ny tafika frantsay. Resaka fifamatorana akaiky kokoa eo amin'ny roa tonta no tena nifotoran'izany fifanarahana izany hisian'ny fifanampiana indrindra ny eo amin'ny fitaovana sy ny fiofanana bebe kokoa ho an'ny tafika malagasy ary ny takalon'izay kosa dia ny tafika frantsay irery ihany no miara-miasa amin'ny tafika malagasy. (Ô ry jentilisa a! sao dia ialahy miresaka tafika be loatra ity no isomparan'ny sasany an'ialahy e? Rehefa voasompatra leitsy dia miova lasy sady ataoko ity tehiriziko ny lahatsoratra tsy ho very e!).


Fa lasa aiza ny iray volan'ny teny malagasy?

Antony iray nanakanana ny mpandala ny ara-dalàna tsy hiditra eny amin'ny kianjan'Ambohijatovo ny filazana fa iray volan'ny ankizy izao ka tsy tokony helingelenina. Fihatsarambelatsihy ihany izany amiko saingy azy moa ny hery ankehitriny ka izay tiany io. Ny toa tsy mba misy milaza mihitsy dia ny fanginan'ny iray volan'ny teny malagasy tanteraka. Tena tsy henoko loatra izay antony fa raha ny fahatsapana amin'izao fotsiny dia ketraka ny mpandala ny teny Malagasy ny hanasongadina ao anatin'ny iray volana ny teny lalainy. Eo ihany koa ny fifalian'ny maro rehefa nolazain'ny minisitry ny FAT ny fiverenana ny teny ampianarana ho amin'ny teny frantsay ka akôry atao babak fa herim-bery maina ny mbola hampiroborobo azy. Saingy na eo aza izany hagagana izany tsy kivy tsy akory ny eto ka hilaza fa tsy hanoratra amin'ny teny malagasy intsony.

Ankasitrahana na dia izany aza ny ezaka nataon'ny fikambanana maro samihafa ny amin'ny fampiroboroboana ny teny malagasy mitondra ny kolontsaina malagasy nandritra izay taona maro izay na dia niato aza ny fanaovana azy tamin'ity taona ity. Amiko manokana dia toy ny vao maika nampibaribary ny famotehana ilay mari-piandrianana malagasy be mpankahala ny tsy mba nitakiana ny fankalazana ny iray volan'ny teny malagasy io, ary mampiharihary ihany koa ny fivakisan'ny fiarahamonin'ny mpandala ny teny malagasy noho ny firehana politika misy amin'izy ireo tsirairay avy. Tsy tsapanao avy amin'izany ve fa tena ambavaloza ny fiaraha-monina malagasy? Indro averiko eto indray ny lahatsoratra voafafa noho ny fisomparana, ary matokia fa raha sanatria voasompatra indray ity dia mbola azo apetaka indray noho ny fitehirizako ny lahatsoratra rehetra.


jentilisa, asabotsy 20 jona amin'ny 00:13 alina

Nahoana no tsy hananga-tsaina?

Niteraka adi-hevitra ihany ity fanentanana tsy hanangana ny sainam-pirenena ho amin'ny fankalazana ny 26 jona ahatsiarovana fahaleovantenan'i Madagasikara ity. Amin'ny ankapobeny manko, faneva manavaka ny firenena iraisan'ny Malagasy rehetra tsy tokony idiran'ny politika velively io fa na iza na iza mitondra, raha mbola io no ambaran'ny Lalampanorenana malagasy fa sainan'ny Malagasy dia io hatrany no atsangana ahafantarana fa an'ny Malagasy i Madagasikara raha ny tokony ho izy.

Tamin'ity taona ity anefa, rehefa nisy iny fanonganam-panjakana nandritra ny telovolana voalohany 2009 iny dia mandeha ny fanentanana fa tsy hananga-tsaina mihitsy ny mpandala ny ara-dalàna raha tsy miverina i dada. Lasa ny saina noho izany mieritreritra hoe mivadika politika indray ve noho izany ny fananganan-tsaina ka raha tsy tonga iny olona iny dia ny fanevam-pirenena no sanatria anehoana fahatezerana ho hitan'ny ambanilanitra? Hatramin'izay 7*7 = 49 taona nananana ny saina izay tsy nisy fanentanana tahaka izany koa nahoana tamin'ity taona ity no nisy indray izany?

Tamin'ny voalohany dia tsy nankasitrahako mihitsy ity fanentanana tsy hananga-tsaina amin'ny trano ity, saingy rehefa nijerijery teny rehetra teny aho dia hitako ny zavatra tadiavin'ireo mpanentana. Fantatra ihany manko fa tsy ireo mpandeha eny Ankorondrano ihany tsy akory no nanohitra iny fanonganam-panjakana, heverina fa fiverenana amin'ny fanjanahantany indray, iny noho ny fandraisana anjaran'i Lafrantsa tao anatiny sy ny nitadiavany tamin'ny fomba rehetra hanalana ny filoha Ravalomanana hatramin'ny fiandohan'ny taona 2002. Tsy voatery ho mpankasitraka ny filoha Ravalomanana ihany koa izay rehetra manohitra ny fanonganam-panjakana fa mba manana ny fireha-keviny ihany koa izy.

Teo amin'ny fijerena ny fanohanana sy ny fanoherana ataon'ny tsirairay teo amin'ny lafiny politika dia ny fihetsiketsehana an-dalambe ihany no refy amarana ny hamaroana na havitsian'ny mpanohana ny tsirairay. Miharihary anefa fa tsy izy ireo ihany no mankasitraka na manohitra fa tsy naneho ny heviny kosa ireo izay mbola manan-javatra atao hamelomany tena ka tsy afaka mandeha amin'ireny fihetsiketsehana ireny velively. Eo ihany koa ny tahotra sakoroka izay mety handratra na hahafaty ny tena. Izaho manokana ohatra dia miserana isaky ny Asabotsy atoandro mialoha ny hamonjena asa eny amin'ny Auditorium no ataoko hanehoako ny fanoherana ny fanonganam-panjakana nisy teto Madagasikara. Hevero amin'izany ny fifandimbiasan'olona mandeha amin'ny hetsika sahala amin'ireny.

Hetsika an-trano, aseho amin'ny mpiara-monina noho izany ilay tsy fananganan-tsaina amin'ny trano mandra-pihavin'i dada. Ny manodidina anay akaiky  ohatra dia efa niharihary ny fanohanany ny TGV sy ny tsi-fiovan-keviny, mazava loatra raha saiky mijoro isan-trano ny sainam-pirenena malagasy. Rehefa jerena anefa amin'izao fotoana izao ny manodidina somary velabelarina kokoa dia hita ihany koa fa maromaro ihany ny trano tsy mananga-tsaina, fa tsy fantatra raha hanangana ihany rehefa kelikely. Izahay kosa efa nivonona ny tsy hananga-tsaina mihitsy raha mbola tsy tonga i dada, soa ihany fa miray hevitra amin'ny ankapobeny ny ato an-trano amin'io lafiny iray io, na dia fantatra fa sarotra aza izany fahatongavany izany tsy misy gidragidra. Tsy afeninay rahateo ny tsy fankasitrahanay ny fanonganam-panjakana.

Moa ve tsy fanompoana olona iray izany miandry olona iray izany vao mananga-tsaina? Tsarovy fa tsy hoe olona ihany Ravalomanana fa filoham-pirenena voafidy ihany koa; izy no solontenan'ny firenena ara-dalàna rehefa misy ny fivoahana mankany ivelany. Efa nolazaina teo ihany koa fa tsy niafina mihitsy ny fandraisana anjaran'i Lafrantsa tamin'ilay fanonganam-panjakana, izy anefa no nanjanaka an'i Madagasikara koa dia noraisina avy hatrany fa fanjanahana indray no nataony tamin'ny fametrahana olona zary lasa saribakoly azony lalaovina sy baikobaikoana hitantana ny firenena. Izay no antony tsy ilàna mananga-tsaina amin'ny trano izany : satria zanatany i Madagasikara!

Na izany na tsy izany, tsy mitaratra velively ny safidin'ny tsirairay ny fananganana na tsia io sainam-pirenena io. Raha mitsangana eo amin'ny trano iray manko ny saina tsy midika izany fa mpanohana ny FAT avokoa ny olona afaka mifidy ao amin'io trano io, etsy ankilan'izany ihany koa sarotra ny ilazana fa raha tsy mitsangana amin'ny trano iray ny sainam-pirenena dia manohitra ny fanonganam-panjakana avokoa ny olona afa-mifidy ao. Misy ihany koa ny faritra, toa an'i Manjakaray ohatra, voatery mananga-tsaina avokoa ny rehetra noho ny tahotra fandrao hotafihin-dry zalahy raha mandà hanao izany; faritra mafana manko ireny ka aleo mitandrina ihany.


Fangalarana fantsom-pampielezam-peo

Vaovao iray toa tsy mba misy milaza, tsy azoko mihitsy, tsy misy ve ny mahatsikaritra? Efa andro maromaro manko izay dia taitra ny tena fa mazava dia mazava ny feo eo amin'ny FM100.80, ary ny teo aza no mafy faneno indrindra miohatra amin'ny fampielezam-peo hafa. Eo manko no andraisana ny feon'ny radio mada (radio tsy miankina) teto Antananarivo, izay radio nandray anjara mavitrika nandritra ny roa voalohany taorian'ny fanonganam-panjakana nisy teto madagasikara. Nohenoiko ka lasa ny radiom-panjakana fantatra amin'ny hoe radio nasionaly malagasy indray no feo eo. Navadibadiko teo akaikikaiky rehetra teo ny maridrefy ka akory ny hagagako fa maridrefy lava dia lava no nalainy. Inona no dikan'izany? Mihevitra ve izy ireo fa tsy ho tafaverina amin'ny toerany intsony ny radio mada sa anisan'ny fomba hanakanana amin'ny endriny rehetra ny hiverenan'ity radio ity izany fihetsika izany? Ny tena mahavariana dia tsy mbola nandre ny fitenenana io fangalarana maridrefy io velively aho ka soratako aloha!


Ahemotra ny fanondrotana ny karaman'ny miaramila sy ny zandary!

Araka ny loharanom-baovaoko dia nahemotra ho amin'ny volana jolay indray fa tsy ho ity mialoha ny fankalazana ny fetim-pirenena sady fetin'ny foloalindahy ity indray ny fanondrotana ny karama sy ny tambin-karaman'ny miaramila sy ny zandary; tsy misy resaka mihitsy kosa indray moa ny an'ny polisim-pirenena mikasika ity fanondrotan-karama sy tambin-karama ity.

Nampanantenain'ny PHAT fa hasondrotra manko io karama io saingy tsy tanteraka moa izany ny amin'ity volana jona ity. Nihevitra ihany aho fa ny hampazoto ny mpanao fanamiana tsy hifampitsitsy amin'ny mpanao fihetsiketsehana hamerenana ny ara-dalàna no anton'iny fampanantenana iny ary efa nandrasanay tokoa na ho tafasondrotra na tsia ilay karama ary dia izay aloha no reko amin'izao fotoana izao. Hiteraka fahatezerana amin'ireo mpanao fanamiana sy mpitam-piadiana ireo ve izany toe-javatra izany sa hiaritra kely aloha ry zalahy?

Eto isika dia hitodika kely indray hifanazava resaka, ny miaramila sy ny zandary ihany no nampanantenaina fisondrotana tamin'ny telo toko mahamasa-nahandro fa tsy tafiditra ny polisy. Inona no antony? Itarainan'ireo roa voalohany fa nomen'ny filoha Ravalomanana tombondahiny manokana ny polisy tamin'ny fanondrotana ny karaman'izy ireo ho Ar200 000 nefa tsy nisy resaka ny an'ny miaramila sy ny zandary koa mitaky ry zareo mba hifanahantsahana amin'ny an'ny polisy ihany koa ny raisin'izy ireo. Raha jerena amin'izao tokoa dia toa rariny ny fitakiana saingy fijery mitongilana izany fomba fijery izany ary mikimpy eo anoloan'ny zavamisy. Inona izany zavamisy izany?

Hatramin'ny ela dia iantohana trano ipetrahana sy fitafiana iasana ny ao amin'ny miaramila sy ny zandary. Tsy mandoa hofantrano noho izany ireo vondrona roa ireo. Tsy mba manana izany tombotsoa izany velively anefa ny polisy fa mitady ny trano ipetrahany sy manofa, ary ny fanamiana anaovany ireny dia ry zareo ihany no miantoka azy. Fantatrareo tsara anefa hoe tahaka ny ahoana izany hofantrano an-tanan-dehibe izany dia azo vinaniana ihany koa ny fahavoazana lehibe mahazo ny polisim-pirenena. Noho izany dia fampitovitoviana lenta ny telo tonta ihany ilay fampankarana toa nidangana tampoka azon'ny polisy nandritra ny fitondran-dRavalomanana nefa dia niteraka fialonana teo amin'ny miaramila sy ny zandary. Fanazavazavana tsotsotra ihany io fa anjarantsika no mamakafaka.

Efa nahita tamin'ny gazety mpanohana ny FAT ihany koa isika fa misy ny fampanantenana ny hanondrotana ny karaman'ny mpiasam-panjakana rehetra amin'iny volana jolay iny. Fampanantenana poak'aty ve? raha tontosa manko izany ahiana ny nisian'ny fanaovana "planche à billets" nefa dia hampihena be dia be ny sandan'ny vola malagasy indray izany ka tsy ho amin'ny tombotsoan'ny mpiasa velively. Azo tontosaina avokoa manko ny zavatra rehetra fa ny fiantraikany rehefa avy eo ihany no tena manandanja fa tsy ilay fihetsika velively.




jentilisa, alarobia 17 jona 2009 amin'ny 12:00

Ny tolona Sabotsy 6 jona 2009 indray no nahazo olona be indrindra

2009-06-07 @ 21:42 in Ankapobeny

Na iza na iza mpitolona amin'izao fotoana izao dia samy nahatsapa avokoa fa ny tolona tao amin'ny Sabotsy 6 jona 2009 indray no nahavory olona indrindra tamin'ity tolona hamerenana ny ara-dalàna ity. Azo heverina fa montsana avokoa ny habetsahana rehetra teo aloha. Ahoana no ahafahana milaza izany? Hipoka tanteraka ny kianja malalaka manoloana ny trano may manoloana an'i Magro sy Auditorium izay be velarana ihany fa tsy mba kelikely izany. Nandany andro mihitsy aho nandrefy tamin'ny alalan'ny google earth.

Ny kianjan'Ambohijatovo nanaovana ny fivoriana ohatra dia mirefy 70 metatra ny halavany miala avy eo amin'ny tohatohatra fipetrahana mandrapahatonga eo amin'ny sehatra fikabariana na fihirana; 55 metatra ny sakany avy eny ambony manatrika indrindra ny fiantsonan'ny fiara mankany Alasora sy Ambohimanambola; saingy mahatratra ny 75 metatra kosa izany sakany izany amin'ny tandrifin'ny sehatra nolazaiko teo aloha ihany. Rehefa feno anefa io kianja io tamin'ny nahabetsaka ny mpitolona mandala ny ara-dalàna dia hatrany amin'ny 135 metatra any ho any ny halavan'ny kianja feno olona.

Raha raisina indray ny kianjan'ny 13 mey izay tsy nahafahan'ny mpandàla ny ara-dalàna nijanonana fa nandalovana ihany tamin'ny voalohany fa ny velaran'ny kianja nisy olona tamin'ny tolon'ny TGV no raisina dia 70 metatra ny halavan'ny kianja miainga avy eo amin'ny amin'ny nisy olona ary 63 metatra kosa ny sakany mandrefy miala avy eo amin'ny 18°54'18.57'' atsimo sy 47°31'22.87" atsinanana mankeny amin'ny 18°54'19.54" atsimo sy 47°31'20.93" atsinanana , fa 68 metatra izany raha raisina miaraka amin'ny ambany arcades izay misy olona tokoa. Nefa matetika dia nalalaka mandrakariva ny arabe hatreo amin'ny 18°54'19.30"atsimo 47°31'21.59" Atsinanana mandrapahatonga eny amin'ny 18°54'21.52"Atsimo, 47°31'23.73" Atsinanana izay mamakivaky io kianja io. Nesoriko ihany koa ny fiantsonan'ny fiara tena nanatrika indrindra ny lapan'ny tanàna satria  izay mandalo eo dia mahalala fa voafefy io ka tsy ahafahan'ny sarambamben'ny olona mivory. Ny tena ivorian'ny olona tamin'izany fotoana izany anefa dia eo amin'ny 55m x 90m (rehefa vita ny asam-pandoroana ny rnm sy ny tvm ary ny orinasan-dRavalomanana isan-karazany) fa efa famindram-po lehibe kosa raha atao hoe 120m ny halavan'ny misy olona nefa dia azonao atao ihany koa ny mikajikajy azy avy eo.

Raha raisina kosa ny refidrefin'ny eny amin'ny kianjan'ny Magro sy Auditorium ivorian'ny mpandala ny ara-dalàna amin'izao fotoana izao ka miainga avy eo amin'ny zoron'ny fefy avaratra andrefana (18°53'05.29" atsimo, 47°31'22.17" atsinanana) mandra-pahatonga eny akaikin'ny zoron'ny fefy atsimo andrefana (18°53'09.45" atsimo, 47°31'22.51" atsinanana) dia mirefy 129 metatra, ny sakan'ny fefy avaratra dia 55 metatra satria misy fialofana izay ijoroana sy ipetrahan'olona ihany koa io fa tsy ilay 49 metatra araka ny refin-tokotany avaratra tsy akory. Ny halavirana avy eo am-bavahady mitoraka mahatratra ny fanorenan'ny Auditorium anefa dia 60 metatra. Marihiko fa ny toerana ivorian'ny olona ihany no refesiko etoana fa tsy ny faritry ny Magro sy ny Auditorium manontolo tsy akory. Raha ireo fandrefesana ireo no jerena dia azo atao tsara ny milaza fa mitovy ny haben'ny kianjan'ny Auditorium (manjary lazaina hoe kianjan'ny ara-dalàna) sy ny kianjan'ny 13 nahavorian'ny TGV ny olony nefa tamin'ny Sabotsy 6 jona teo dia efa olona mihizina tsy ahafahana mihetsika firy na dia ny ivelan'ny fefy sy ery ampitan'ny kianja misy ireo mpivaro-gazety sy mpivarotra madinidinika hafa ireo.

Noheverina hihalefy tsikelikely ity tolona ity rehefa mandeha ny andro sy ny volana saingy vao maika niroborobo tampoka teo (efa hanakaiky ny telovolana izay no lasa). Inona no mety ho anton'izany? Noho ny filazana ankolaka fa ho avy eto Madagasikara mialoha ny fetim-pirenena ve ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana? Toa te-hilaza izany tsikelikely manko ny mpitarika eto an-toerana. Tsy misy velively anefa amin'ny tenin'ny filoham-pirenena soritra ahafantarana izay mety hiaviany alohan'ny fetim-pirenena izany. manahy aho eto fa ho kobaka ambava io fanentanana milaza andro fahatongavana io. Eo ihany koa ny fanetsiketsehana isam-paritra, rehefa andro Sabotsy indray manko izao dia lasa misy ny filaharam-be miainga any amin'ny faritra any ka mirona mankany Ankorondrano. Eo ihany koa ny fanetsiketsehana ny olona manodidina an'Antananarivo renivohitra. Faritra maromaro tokoa no ivezivezen'ny mpitari-tolona ka ny andron'ny alahady 7 jona 2009 manomboka ny folakandro fotsiny dia nolazaina fa ho eny Andrady Itaosy, Andranomena ary Andoharanofotsy ry zareo. Efa nandehanana ny teny Fenoarivo Atsimondrano (izay nitorahan'olo-tsy fantatra ny mpivarotra sady mpitolona mavitrika cocktail molotov ny tranony saingy soa ihany fa nalaky voavonjy izany) sy ny teny Ambohimangakely. Raha izao fitetezam-paritra izao tokoa aloha no jerena dia ny baiko tokana sisa no andrasana dia mety ho avy any amin'ny toerana iray avokoa amin'ny fotoana iray ny mpandala ny ara-dalàna rehetra any amin'ny faritra rehetra izay tratra antso saingy mbola eto ampanombohan'ny fitetezam-paritra isika aloha amin'izao fotoana anoratana izao.


Rehefa ny mpitandro ny filaminana sy ny tafika no maty hasina:

Etsy ankilan'izany dia mihapotika tsikelikely ny hajan'ny mpanao fanamiana rehetra (Miaramila, zandary ary polisy). Nisy ihany ny ezaka fampihavanana any amin'ny vondrona tsirairay any saingy tsy mahasitrana velively ny aretina izany rehefa iniana tsy jerena ny fototr'aretina. Voalohany, tsy eo amin'ny samy mpanao fanamiana no misy olana fa eo amin'ny mpanao fanamiana sy ny sivily mihitsy. Be loatra ny tsy rariny mianjady amin'ny sivily ataon'ny mpanao fanamiana isan-karazany. Eto moa isika dia ao anatin'ilay resaka hoe fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka, nefa araka ny fahatsapana dia toa lalin'aty dia lalin'aty tokoa ilay tandroka ka mahalany betsaka. Inian'ny manam-pahefana isan-karazany ny milaza fa noho ny fiparitahan'ny fitaovam-piadiana no tena mampirongatra indray ny fandrobana sy ny fanafihana isan-karazany Aely miaraka amin'izany koa fa sandoka ireny mpanafika manao fanafihana ireny.

Ny filazalazan'ny gazety (taratra sy gazetiko) nivoaka ny sabotsy 6 jona teo anefa dia nahafahana nanamarika fa tena mpitandro ny filaminana fa misandoka ho an'ny vondrona hafa ihany ireo manao asa ratsy ireo. Efa nanambara mihitsy koa moa ny filohan'ny vaomieran'ny fiarovana ao amin'ny FAT fa izy mihitsy no maniraka zandary sy miaramila manao fisavana, miaraka amin'ny taratasy avy any amin'ny fitsarana (tsy tena aseho akory ilay taratasy) izay efa nolavin'ny minisitry ny fitsarana moa. Ny olana amin'ity fisavana ampanirahan'ingahy Ramaroson Alain ny miaramilany ity anefa dia tsy vitan'ny fisavana no ataony fa raofiny avokoa ny entana bebe sanda any amin'izay savainy. Tsy manaiky ny hipetra-potsiny izy na dia nokianin'ny sefon'ny etamazaoro aza ny fanitsahana andraikitra ataony, satria araka ny nolazainy dia be dia be tokoa ny fitaovam-piadiana mbola tsy hita nanjavonana ka atao izay ahitana azy ireny, sady be loatra koa ny vola miparitaka (ny tiany raofina angamba no marina kokoa!) entina haminganana ny FAT.

Tsy azo adinoina ihany koa anefa ny olana eo amin'ny samy mpanao fanamiana saingy ny fiaingan'ny olana no niniana disoina. Eto aloha aho dia manararaotra fa nisy tokoa ny fandrahonana hitokona nataona vondrona iray tao amin'ny polisy noho ny tsy fankasitran-dry zareo ny mpitondrany fa ny tohiny no tsy fantatra mazava. Vohikala iray sy mpamaham-bolongana iray manko no mba hitako nilaza io toe-javatra iray io hatramin'izao ka andrao lazain'ny sasany ho tsahotsaho foana izany. Hiverina amin'ny foto-dresaka amin'izay aho : ny tenin'ny Jeneraly Andrianafidisoa no nilaza fa ny raharaha 2002 no nisian'ny fivakisan'ny tafika voalohany ka tokony nilàna fampihavanana. Trangan'aretina hita maso no tamin'ny 2002 fa ny fiandohan'aretina dia tamin'ny fiokoan'ny GMP (faran'ny taona 1974) nitaky ny hisiana Jeneraly Tanindrana, ka nahatonga ny fampiakarana ny gradin'ny jeneraly hifototra amin'ny resa-poko fa tsy fahaizana intsony mba hisian'ny antsoina hoe fifandanjam-paritra rehefa nitondra ny filoha Ratsiraka. Nanomboka hatreo dia maro tamin'ny manamboninahitra ambony tokony hisalotra ny galonan'ny jerenaly no nihitsoka teo amin'ny gradin'ny kolonely, noho ny foko misy azy efa maromaro ihany no jeneraly).

Ataoko hoe tsy dia nampaninona loatra iny fa ny fanendrena ny lehibem-paritra isan-karazany mitana ny fibaikoana rehetra dia nifototra tanteraka tamin'ny resa-poko ihany koa. Tamin'iny Repoblika faharoa iny, ny ankamaroan'ny [mody ataoko hoe tsy izy rehetra] mpitana ny fibaikoana rehetra, na miaramila na zandary fa eo amin'ny polisy no tsy azoko antoka loatra, dia avy amin'ny foko Antesaka avokoa (fahotana ve ny manonona azy io mivantana?), avy eo dia miitatra ho ny foko avy ao atsimo atsinanana rehetra (Betsirebaka hoy ny fitenenana tsy dia mihaja loatra) ary fahatelo manaraka vao mety ho tafiditra hahazo ny fibaikoana ny foko Betsileo satria mifampiziva ry zareo. Mazava loatra fa misy ny vondron'olona mitam-piadiana misongadina satria vetivety dia miakatra grady rehefa mitana ny fibaikoana. Araka ny fijeriko dia mety ho hitan'ny filoha Ravalomanana io fisongadinana foko mitana ny fibaikoana mitam-piadiana avy amin'ny foko iray io ka tiany noravana, na nasiany fanitsiana. Hitanareo ihany anefa fa mahalotika fon'olona izany fanalàna fibaikoana izany, ary ny zava-doza taminy dia ry zareo mpanao fanamiana ireto ihany no mahazo alalana hitazona sy hampiasa ny fitaovam-piadiana eto Madagasikara.

Ny tiako asongadina eto dia ny fametrahana ny fibaikoana rehetra teo ambany fitantanana foko iray ka ny fanalana izany eo ampelatanany dia heveriny ho karazana filazana ady aminy. Ny voamarika hafa ihany koa dia mora tanterahina eto Madagasikara hay ny fandripahana olona hafa toy izay nitranga tany Rwanda na dia mety tsy hahatratra ny faratampony akory aza ny fifankahalana eo amin'ny samy olona. Izany hoe efa mihoatra ny 30 taona mahery izay no nametrahana "baomba milevina" teto Madagasikara teo amin'ny lafiny ara-tafika toy ny "baomba milevina" amin'ny vatsi-pianarana manjary lasa zo fa tsy tombondahiny ho an'ny mahay ho an'ny mpianatry ny Anjerimanontolo aty amin'ny firenena miteny ampahany na manontolo ny teny frantsay. Amin'izao fotoana izao ary: ahoana no hitsaboana io aretina efa nitaiza nihoatra ny 30 taona tao amin'ny zandary sy ny miaramila io? Efa maro amin'ny mpitàna fiadiana manko no manararaotra ny fampiasana ny fiadiana eny ampelatanany hanaovana asa-ratsy. Fanamarihana farany: raha miresaka foko aho teto tsy noheveriko hisiana fankahalana velively no anoratako azy fa ny tsikaritro no ampitaiko dia samy mitsakotsako isika rehetra amin'izay tokony hanaovana ny foloalindahintsika Malagasy. Ahitsio aho raha diso ka azavao tsara ny hevitrao!




jentilisa, 07 jona 2009 amin'ny 23:43

Ho lavitr'ezaka ny tolona?

2009-06-05 @ 23:10 in Ankapobeny

Dify ny herinandro nanoratako farany, nitaintaina ny tapaka sy namana ary tsy latsak'izany ihany koa ny mpamaky eto amin'ity bolongana ity. Nisy ny nandefa mailaka, ary teo ihany koa ny niantso mihitsy. Lozako fa manahy noho ny amiko ny olona. Tsy lasa lavitra anefa aho fa eto Babylona ihany. Babylona sy ny asa tsy mitsahatra, tsy mahalala sabata (alahady manko e!), paska ary pentekositra fa mitovy daholo,manompo hatrany.

Gaga ny tato an-trano, fa oviana aho no tsy namonjy fiangonana amin'ny fety kristiana hatramin'ny naha-mpandray ahy ny fanasan'ny Tompo? Izaho koa gaga! Sambany! Reraka noho ny fanompoana ny vatana na dia mbola matanjaka aza ny saina! mamandrika ihany koa anie ny maheno hira sy toriteny amin'ny radio fahazavana e. Ilaozana matory maraina fotsiny dia alim-pody! Sao dia Jesosy no tonga alohan'i "dada"? hoy ny zandriko iray izay... Fa aiza tokoa i "dada" no tsy mbola tonga foana e? Tsy fantatro e! Any anatin'ilay sambo mitondra vary sy menaka avy any Arabia Saodita any angamba. Na ho tonga i "dada" na tsy ho tonga tsy manaiky ny hanjanahana an'i Madagasikara ara-toe-karena aho, tsy manaiky ny fanapotehana ny tanindrazako aho. Na hitolona samirery aza, hitolona amin'izay fantatro fa tandrify ahy.

Lavitr'ezaka rahateo ity tolona ity fa tsy fohy ezaka velively, izay angamba no tsy maha-tanora ahy intsony, efa tsy mahandry mitady gidraka ny tanora sasany satria "hendry" loatra ny tolona sy ny mpitolona. Efa misy ireo andian'olona mitady vahaolona ara-tafika fa tsy mety intsony ny ifampidinihana. Ilay fitsarana manameloka an'i "dada" tamin'ity herinandro ity ihany koa moa lasa mampihomehy ihany. Androany no atao ny fitsarana dia rahampitso io mivaly avy hatrany ary sazy amin'ny vola $ sy € ny onitra fa tsy amin'ny ariary. Fa hilatsa-bidy angaha lehiretsy ny ariary ka aleo atao amin'ny devizy avy hatrany ny lamandy? Hisy raharaha vanona intsony ve?

Noho ny fanompoana eto Babylona dia nieritreritra aho fa isaky ny sabata atoandro no mamonjy fihetsiketsehana etsy amin'ny Auditorium. Mbola hiditra amin'ny roa ora folakandro amin'io an! Nigadona teny aho tamin'ny sabata 30 mey 2009 tamin'ny 11 ora katroka. Nifanindran-dalana tamin'ireo nanao filaharambe namonjy an'Ankorondrano. Isaky ny boriborintany na isam-pokontany moa no ilaharan'ny olona. Miadana dia miadana ny famindran'izy ireo. Izaho kosa nanao dia maika nefa tsy misy olona hovonjena akory any! ny fandehan'ny raharaha mbola tsy manomboka no tena jereko, mijery ny vaovao manodidina sy ankoatra ny kabarin'ny mpitarika no atao.

Hitako ary iry tranoheva kely ialofan'ny olona nefa toa misy fametahana afisy ihany koa. Dia toy ny karazana "Hall d'information" kely tokoa izy io fa misy gazety azo vakiana ary misy mamoaka amin'ny taratasy lasa afisy ihany koa ny lahatsoratra nofantenana mikasika an'i Madagasikara sy ny tolona ataony ary ny raharaha manodidina azy mivoaka amin'ny aterineto. Hevitra mety ihany! hoy aho an'eritreritra, satria tsy mifandrindra mihitsy matetika ny tolona an-tserasera sy ny tolona ampahibemaso. Betsaka amin'ny mpitolona tsy mahita izay aty an-tserasera no tena tsy maharaka vaovao intsony noho ny tsy fisian'ny radio mada natokana ho fanentanana intsony. Ny radio fahazavana kosa tsy afaka hanao izany fanentanana izany fa ny mamoaka amin'ny ampahany somary betsaka amin'ny akon'ny tolona ihany no azony atao.

Ankoatra izany, mandeha ihany koa ny bizina kely madinika eny ho eny. Betsaka ireo mivarotra satroka lamba sy T-shirt. Ny T-shirt misy soratra DADA indray no lamaody ato am-pivoriana. Fa mandeha ihany koa ny gazety tsy dia fahitanao ivelan'ny kianja loatra intsony. Ankoatra ny "gazetin'ny gasy" dia nivoaka ihany koa ny "vaovaon'i Gasikara" (ny tamin'ny sabotsy no lazaiko io an! izay tsy voatantara loatra aty an-tserasera). Ny fijery azy dia mety ho fisarahan-kevitra tao amin'ny gazety voaloha ihany no nampivoaka ny gazety faharoa. Raha mivoaka amin'ny teny malagasy manontolo ihany ka ny gazety notononiko voalohany dia mitady hibahan-toerana kosa ny teny frantsay ao amin'ny gazety faharoa. Misy ihany koa ireo mivarotra boky kely feno tolonkalom-pitiavan-tanindrazana sy fanindrahindrana olona. Boky tsy mandalo sivana mazava ho azy ary tsy ho hita eny amin'ny fivarotam-boky nefa dia tena vita tsara tokoa.

Miresaka boky ihany isika dia hivadika taranja tanteraka. Hitanareo ihany fa mpandala ny teny malagasy ny tena etsy andaniny tia manana boky ihany koa etsy ankilany, indrindra fa ny boky tsy ho hitanao velively any amin'ny tranon-kolontsaina frantsay mampirohotra ny ray aman-dreny te-hahatafita ny zanany amin'ny fianarana toy ny "Alliance française" sy ny "Centre culturel français" (CCAC teo aloha). Nandalo teny Tsimbazaza ny tena io zoma 5 jona 2009 io ka nanararaotra nandalo tao amin'ny Akademia Malagasy hividy ilay boky rakibolana rakipahalalana vao navoakan'ity akademia malagasy ity. Efa re ihany manko fa hoe hivoaka amin'ity volana jona ity io boky mitentina 100 000Ar io. Tsy nahandry izay hivoahany eny amin'ny fivarotam-boky ny tena ka tsy tana rehefa teo am-bavahady fa hitsofoka hanontany ny vaovao hoe oviana izy io no hivoaka?

Gaga anefa aho rehefa nahita ny tranon'ny Akademia Malagasy! Hay ve nisy fanavaozana toy izao ity trano ity e! tena nahafinaritra ny nijery azy ary hita fa vao haingana tokoa ny fotoana nanavaozana azy! Tadidiko ihany ny endriny teo aloha nampahonena sy toa komavoka ery nefa toa mahamiramirana ery ny mahita azy ankehitriny. Hita hoe nisy fandalovan'i "dada" izy ity matoa niova nahafinaritra tahaka izao ny endriny. Mba firy tamin'ireo efa niserana teto no nahatsikaritra ity fanavaozana manontolo ny trano nataon'i "dada" ity? Niditra tao anatiny ny tena ka vao maika finaritra! Tadidiko ihany fa toa maizimaizina nampalahelo izay tato fahiny nefa dia tena mazava manjopiaka aoka izany ankehitriny! Tena azo ireharehana ilay toerana e! Hay ve mahavita trano tahaka izao ny Malagasy e! Noheveriko ho tsy mahay mampiasa ny haikanto (design) amin'ny sehatra tahaka itony mihitsy ny Malagasy fa avelany ho an'ny hafa ihany ny mikolokolo izany. Soa ihany fa nisy an'i "dada" nitondra ny firenena ka nahavitana "tahirim-bakoka" tahaka izao sady mbola tsy nopotehin'ny sasany na tsy tapaka antenantenany ny fanamboarana azy. (eny, tena manao izay hamparary fo mihitsy aho!)

Izay no ela fa tany ambony rihana no nandehanana hanontany ny vaovao. Ny varavarana nisokatra no nodondoniko, sady hitako niteronterona ihany ilay boky. Lasa ny resaka, mila manao komandy avokoa hay ny olona fa, araka ny resak'ilay ramatoa, tsy misy avoaka eny amin'ny fivarotam-boky izany. Aloa mialoha ihany koa ny vola fa amin'ny 25 jona amin'ny telo ora folakandro no ivoahany na hakana azy eny an-toerana. Nojerikereko ny tao anatin'ny boky ka tsy tiako ny nanaovan-dry zareo ny endri-tsoratra (police de caractere). Mbola toy ny endri-tsoratra taloha ireny ihany, tahaka ny  endri-tsoratry ny rakibolana frantsay malagasy nosoratan'i François Rakotonaivo (Ambozontany) ihany amin'ny faritra rakibolana fa mba mahafinaritra kosa ny mijery ny endri-tsoratra amin'ny faritra rakipahalalana. Marihina ho antsika mety ho tsy mahazo tsara ny teny malagasy fa ny rakibolana no ilazana ny hoe 'dictionnaire' ary ny rakipahalalana kosa no anononana amin'ny teny malagasy ny hoe 'encyclopédie'. Nanafatra ihany aho na dia izany aza, satria fantatra ihany ny tsy dia faharisihan'ny olona hividy boky, indrindra fa ny tsy mifandraika amin'ny rafi-pampianarana ankehitriny izay miompana amin'ny teny frantsay, ary ahiana ny tsy ivoahan'ny teny hoe 'natonta fanindroany' intsony. Koa araraoty ry zareo sao dia tsara ihany ny manafatra fa tsy hiandry izay ivoahany eny amin'ny fivarotam-boky.

Rehefa vita moa ny rosia nandoavana ny vola dia saiky hanontany ny adiresy an-tserasera aho saingy ny prôselitisma nataon'ilay madama mandòka ny fanjakan'Andrimanitra araka ny fijerin'ny Vavolombelon'i Jehovah no lasa aloha ka dia naleoko tsy nanohy ny resaka intsony. Amin'ny manaraka indray angamba aho manontany raha mety hisy indray ny fandalovako any amin'ity toerana ity. Amin'ny manaraka indray aho manoratra!

ps: oadray saika adinoko! Inona koa no tombotsoa azo amin'ny tsaho hoe nandalo teto Madagasikara Ravalomanana tamin'ny 23 sy 24 mey e?
 


jentilisa, sabotsy 6 jona 2009 amin'ny 1:11 maraina

Nofiko halina tena ratsy dia ratsy

2009-04-17 @ 03:36 in Ankapobeny

Tsy afaka ny hanoratra lava tamin'izay zava-nitranga aho aloha androany noho ny tsy fahampian'ny fotoana hanoratana fa dia hitantara vetivety ny nofiko halina izany nanaitra ahy tamin'ny 4:34 minitra teo ary tsy nety nahitako tory intsony na dia tamin'ny sasakalina aza aho no namonjy fandriana. Noho izaho tsy mety nahita tory intsony no nahatery ahy hanoratra fandrao mba mety hisy fiovany tsy araka ny hitako ny ho fandehan'ny tantara.

Tao amin'ny nofiko ary dia nanana voay somary kelikely nefa masiaka izay, hono, aho; na manaraka io voay kely io hatrany, hono, aho. Tsy haiko nofehezina io voay io fa ny hany azoko nataoko dia ny nampitandrina ny manodidina hatrany io voay io any amin'izay alehany. Ny tena nanarihana ahy dia izay reniakoho niaraka tamina zanak'akoho mbola kely vitsivitsy nefa tsy nisaiko izay. Roahiko hatrany ireo akoho ireo tsy hanatona akaiky ity voay ity fa tsy mety mihitsy; mananontanona eo akaiky eo foana. Tampoka teo amin'izay, azon'ilay voay kely hita fa mitovy halavana amin'ilay reniakoho saiky hitsaingoka teo amin'ny vavany ity voatonona farany saingy afaka ihany ka ihataka kely. Taorian'izay, tsy hitako tampoka izay nanjavonan'ilay voay kely fa ny hitako teny rehetra teny dia nifantsitsitra avokoa ny ran'ireo akohokely tazako ary ny fijery azy dia tsy ho ela intsony ny fotoana hiainan'ireo akohokely ireo. Teo aho no taitra ary tsara indray ny manamarika fa tena nofiko izao halina izao io.




jentilisa, zoma 17 avrily 2009 tamin'ny 05:34

Fa zava-mahafaly angaha izao fiokoana miaramila izao?

2009-03-08 @ 21:09 in Ankapobeny

Horakoraka ny an'ny mpomba ny TGV hatramin'izao rehefa nandre tamin'ny radio Antsiva androany alahady 8 marsa 2009 ny fiantsoana ny miaramila rehetra hiditra an-dakazery ka tsy handray baiko hamono vahoaka intsony. Nahatsapa tena ve izany ry zareo fa namono vahoaka tokoa? Na izany na tsy izany tsy hain'ny tafika tokoa ny mifanandrina sy mifehy vahoaka satria tsy asa nampiandraiketana azy loatra izany. Ny zandary no manana io talenta hifehy ny vahoaka io sy ny hanenjika dahalo moa izany, manana asa an-drenivohitra sy ambanivohitra noho izany ny zandary. Ny polisy kosa natao hanenjika ny mpangalatra sy ny mpanendaka an-tanan-dehibe. Koa raha naka ny CAPSAT ny miaramila sasantsasany efa notononin'ny radio tany aloha tany hoe "collectif des sous-officiers" dia azy izany, fantany ny miandry azy raha tsy mahomby izy nefa azo heverina ho fantany ihany koa ny tanjona tiany hatao. Mety ho azo heverina ny hoe tsy manao na inona na inona, sy ny hoe tsy mandray baiko na avy amin'iza na avy amin'iza, nefa moa ve hijanona hatreo? Hatreto aloha dia ireto miaramila ireto ihany no manao ity fiokoana ity, tsy mbola nandrenesana kosa ny avy amin'ny zandary, ny polisy moa tsy anatin'ny tafika nefa mpitandro ny filaminana ihany saingy mbola tsy nandrenesana ihany koa hoe ao anatin'ny fiokoana. Ny fiantraikany aloha hatreto dia "foana" ny emmo nat. Nizara tsinona ny tafika koa...

Rehefa tonga ny folakandro dia nisy ny sasantsasany tamin'izy ireo nampideradera ny fitaovam-piadiany arifomba sy matanjaka toy ny "lance roquette", nanakana fiara sy nanambana basy ireo izay tao anatiny... hiaro ny vahoaka izy amin'io fotoana io. Tsy fantatro loatra  izay tena nendahiny tao anaty fiara tao ary nisy vitsivitsy aloha no nanaovany izao fihetsika izao. Malahelo aho milaza hoe moa va tsy ry zalahy indray no mpanakana ny lalambe? raha manakana fiara tsy maka na inona na inona tsy maninona loatra fa mihoatra izany dia ataoko fa mihoa-pefy ry zareo.Manaraka izany koa, tapatapaka lahatsary koa moa no nojerena tao amin'ny tvplus, tsy azoko loatra ireto lehilahy azo heverina ho mpandalo nasain-dry zalahy nanala akanjo ambony, dia notapahina koa ny lahatsary... tsy nanao fanazavazavana loatra koa moa ny mpitantara ka dia ny manatrika izay hitany fotsiny no ataon'ny mpijery fahitalavitra. Efa nampidirin-dry zareo anaty tany miady aloha isika amin'izao fotoana izao ka tokony hampanginina ny fanamelohana izany fihetsika izany?  Efa fiokoana moa ny ataony amin'izao fotoana izao ka inona moa no tena tanjony tamin'izao fihetsiketsehana mifanatrika lavitra amin'Iavoloha izao ankoatra ny fihantsiana ny mpiambina ny filoham-pirenena? Toa ela loatra koa angamba ilay resaka vahoaka koa aleo raisina mihitsy ny fitaoam-piadiana. Rehefa izany no izy dia tokony hihatakataka ny sivily fa aleo ho an'ny miaramila ny hifampitifitra. Nefa ny nampihomehy nampalahelo ahy dia ireto olona marobe nanodidina ny miaramila mpioko tsy mahalala hatrany izay mety hahafaty azy. Izay tokoa angaha vao nahita miaramila nanao fihetsiketsehana an-dalambe. Tena zava-doza ry zareo ny fihetsiketsehan'ny miaramila an-dalambe fa modia any an-trano mipirina mba tsy ho maritioran'ny fitiavan-tanindrazana a!

Nandeha indray moa ny fanentanana tao amin'ny radio viva (mbola mandeha tokoa na dia efa nalain'ny emmo nat omaly sabotsy 7 martsa aza ny fitaovana tao) ny hamoriana ny olona eny amin'ny kianjan'ny 13 mey rahampitso alatsinainy 9 martsa, mety ho fifaliana ho an'ny mpitolona izany nefa ahoana ny eo anivon'ny tafika? fiheverako manokana ny hanatontosana izay fihetsehana an-dalambe ataon'ny TGV izay no tanjon'ireto manamboinahitra lefitra araka ny voalaza ireto. Nefa inona no ataony raha misy indray ny fandrobana ataon'ny sasany avy nanao fihetsiketsehana? Hampiasa basy "hamono vahoaka" sa tsy hanao na inona na inona satria tsy andraikiny izany? Enga fotsiny anie mba tsy hisy ny fandrobana ary tsy hisy ihany koa ny fanafihana ny tanananay lasa malaza ho fokontany TIM satria nilaza ny mbola hamaly faty anay indray ny "sasany" resy tosika tamin'ny Asabotsy farany teo. Eto izany aloha, raha hitohy ny fifampidinihana eo amin'ny roa tonta dia manana ny tombony kokoa ny TGV. Fa moa ve mamelavela fotsiny amin'izao ny tafika manoloana ity fiokoana ity? Tsy dia fanaon-dry zareo loatra aloha izany mitifitra amin'ny rahalahiny am-piadiana izany hatramin'izao. Saingy tsy fantatra aloha ny hiseho satria 'mpanaja lalàna' mandrakariva ny tafika amin'ny ankapobeny fa tsy 'mpanoa ny filoha' loatra na dia sarotra inoana aza hisian'izany fifampitifirana izany.

Mampahatsiahy ny tantara ny zavamisy ankehitriny, efa teo moa ny fiokoana nataon'ny Jeneraly Andrianafidisoa teny Ivato, tsy nahomby moa iny ka tsy lazaina loatra. Ny tany amin'ny 1975 no nitamberina, raha nioko tao Antanimora ny GMP (Groupe Mobile de Police). Tsy nety nifanandrina tamin'ireo mpioko ny tafika raha tsy maty aloha ny filoham-panjakana tamin'izany fotoana izany. Nangidihidy ny lehilahy teto Antananarivo, hanafika ny mpioko saingy nosakanan'ny miaramila izany hatezeram-bahoaka izany, ary voatery ry zareo tafika nanafika "tsy fidiny" ireto mpioko ireto. Tsy nisy lohany intsony moa i Madagasikara ka izay no nampitsangana ny "directoire militaire". Efa azo veroka ihany fa hery hafa no tena namono sy nampamono ny Kolonely lasa Jeneraly Ratsimandrava rehefa nodimandry izy saingy efa natolaka tany amin'ny iray tamin'ireo mpioko ny rihitra. Ankehitriny, mafanafana ny toe-draharaha, tsy fantatra avokoa ny hery mifanandrina any ambadika any fa nanaitra ny sofiko aloha ny fanambarana nataon'ny fivondronamben'ny Eveka teto Madagasikara nanaraka ny fanambaran'ny Arshevekan'Antananarivo namely mafy ny fitondrana. Ny Arsheveka rahateo efa niantso ny tafika "hiaro ny vahoaka sy ny fananany" ka samy nanana ny fandraisany azy na ny manamboninahitra lefitra efa ela no te-hioko sy ny zandary hanaja ny "lalàna sy tanindrazana". Ny ankehitriny ihany koa efa mizarazara be ihany ny olona indrindra fa ny eto Antananarivo. Ankehitriny, toa mitovitovy amin'ny hery anatiny sy ivelany ahiahiana ho tena ambadik'izay namono sy nampamono ny filoha tamin'ny 1975 ihany ny hery ambadik'ity fanonganam-panjakana eo am-panatanterahana azy ity. Mariho tsara fa notapahina fotsiny ny fitsarana raharaha namonoana ny filoham-panjakana tamin'ny 1975 indrindra rehefa nitady hipoitra ny marina.

Na eo aza izany rehetra izany, tsy hitako mihitsy ny antony hifalian'ny sasany amin'ity fikomiana miaramila ity. Moa ve tsapan'izy ireo izay milaza ho manameloka ny fandatsahan-dra ny mpiray tanindrazana aminy fa efa antomotry ny ra mandriaka i Madagasikara amin'izao fotoana izao? Izany ve no ifalianao sa hoe tsy maintsy miongana amin'izay ny filoha Ravalomanana? Fa angaha izy ity haongana fotsiny amin'izao indrindra fa efa tetehina ihany koa ny hamonoana na ny hanagadrana azy ary fantany tsara izany, izay indrindra ilay hoe antomotry ny ra mandriaka isika izao fa efa anatin'ny ady an-trano tanteraka kosa. Niantsoantso valifaty amin'izay manko ny maro tamin'ny mpitolona. Fiovana tsy ara-dalàna matetika izany ho hiainan'i Madagasikara koa nefa tsy hampandroso azy na oviana na oviana izany. Karazana sangisangy zary tenany no hamaranako ity lahatsoratra etoana ity: Inona izany no hitranga amin'ny 18 martsa 2009 andro faha-77 amin'ity taona faha-7 nitondran-dRavalomanana an'i Madagasikara ity?




jentilisa, alahady 08 martsa 2009 amin'ny 23: 08 ora

Nahatratra ny taona 2009 e!

2009-01-01 @ 08:38 in Ankapobeny

Miarahaba antsika rehetra nahatratra ity taona vaovao 2009 ity indray. Fifaliana mandrakariva izany na taiza na taiza, na inona na inona natao hiandrasana izany taona vaovao izany. Tsy ny fahantrana na ny fahasahiranana velively sanatria no idifiana fotoam-pifaliana tahaka ny amin'izao fotoana izao. Mirary fahasalamana, fahavitrihana, fahombiazana, fifaliana, fahasambarana ho anao izay mandalo amin'ity sehatra ity ny tenako.

Ho tso-drano mandrakariva ho an'ny eto Antananarivo ihany koa anie ny orana nilatsaka halina mba hampangatsiatsiaka ihany koa ny tontolo izay naha-ana loatra teo aloha teo. Dia hanoratra lava be indray aho amin'ny manaraka fa izao fohy ihany ny hafatra atao aloha!



jentilisa, 01 janoary 2009

Aterineto Malagasy : Mahazo alalana hirediredy

2008-12-17 @ 06:44 in Ankapobeny

Nihora-kafaliana ny tena nandre ny tenin'ny Minisitra Bruno Andriatavison, izay misahana ny fifandraisana, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, milaza fa malalaka ny fitenenana eto Madagasikara ka ohatra amin'izany ny aty amin'ny aterineto izay ahitana ny karazan-kevitra sy fitenenana rehetra; fa anjaran'ny mpampahalala vaovao ny mamoaka na tsia izay voalaza any. Eo amin'ny fiheverany izany dia tsy toerana fakana loharanom-baovao loatra ny eto amin'ny aterineto fa rediredy no betsaka. Teniny nandritra ny fotoana nanontanian'ny mpanao gazety azy momba ny fanakatonana ny Viva TV io.

Hatramin'izao izany dia tsy misy atahorana ny fanehoan-kevitra aty amin'ny aterineto. Mety ho tsotra ny antony, mbola vitsy ny olona mivoivoy amin'itony toerana itony ka ny Malagasy dia ny mijery sy ny mamaky no mahazatra azy kokoa fa tsy ny manoratra loatra. Ankoatra izay Malagasy efa zatra ny manoratra sy maneho ny heviny dia olona tezitra tanteraka na tena faly matoa izy maneho hevitra izay. Midika koa izany fa eo anatrehan'ny mpitondra fanjakana dia tsy matotra tsy misy atahorana loatra koa izay voalaza amin'ny aterineto, satria ny maro amin'ny mpitabataba tsy manisy hisatra (frein) amin'izay ambarany dia olona mipetraka ivelan'i Madagasikara na tsy mbola miseho masoandro tahaka ny sariko ka hitandrina.

Amin'ny ankapobeny izany dia tsy voasokajiny ao anatin'ny fampahalalam-baovao ny bolongana sy ny dinika ary ny karajia amin'ny aterineto. Lafiny tsara ho antsika Malagasy eto an-toerana izany indrindra indrindra, nefa tsy tokony hohararaotina handikana ny lalàna sy ny fitsipika efa napetraky ny serasera ohatra.

Izay no ela fa hirediredy anatin'ny fitandremana ary aho, malalaka aho izany satria tsy misy fahalalahana tsy misy lalàna izany fa baranahiny matoa tsy misy lalàna. Efa nanoratra ny filazan'ny Minisitra ihany aho momba ny Viva TV ka tao no nahenoana fa ankoatra ny famerenana manontolo ilay lahatsary dia nanambara ny mpanao gazety fa mbola averina manontolo indray afaka fotoana fohy amin'iny alin'iny sabotsy iny ihany (sy amin'ny fotoana manaraka) ilay lahatsary. Midika izany ary mivandravandra fa tena natao hanakorontana sy nikendrena handravana ny fihaonana tontosaina anio any Iavoloha mihitsy ny raharaha fa tsy hoe tsy fahaizana mifehy ny fampahalalam-baovao.

Mety hilaza ianao hoe: dia ahoana ireny kabarin'ny filoha na mpitondra fanjakana averimberina ireny. Mazava be, tsy misy fitenenana anaty vaovao hoe averina manontolo ity amin'ny vaovao rahariva na manaraka. Fa mitokelaka tampoka aho mandre ny voalazan'ny gazety La Gazette de la Grande Ile eto ampanoratana hoe: "Hokendren'i Andry Rajoelina ihany koa (izay hanakatonana) ny mbs"... eisy e! tena miaraka adala ireto marina! Efa tamy ihany koa izany ny "mpanao didy jadon(a)" an'Antananarivo e!(mbola tsy mpitondra ny firenena akory!) izany ve no atao hoe valy fingika fingaka? Fa dia efa miomàna aloha ialahy ry jentilisa fa Tsiafahy no miandry an'ialahy rehefa izaho no mitondra an'i Madagasikara, izaho no lazain'ialahy fa mpanao didy jadona sahady eto? Sady tena alaheloko mihitsy ny tsy nahazoako ny Madagascar Tribune teo an!

Na izany na tsy izany tena vao maika mihamitombina ilay ahiahy nandritra ny fifidianana hoe ataon'ny sasany saribakoly ity reharehan'ny tanora ity na misy mpanimpy hoditr'akondro lalandava eo anatrehany. Eto no tena ahatsapana fa ny fahalalahana tsy midika velively fa manao izay tiany atao ny mpiara-miasa amin'ny tena akaiky fa misy fitspika tsara apetraka mazava ihany koa mba tsy hifamitahan'ny mpiara-dia.

"Nakatona hoe ny Viva?" sy "Dera ho an'Andriamanitra!"

2008-12-14 @ 21:38 in Ankapobeny

Gravy tena gravy kosa izany filazana henoko androany alahady izany. Mba nivoaka hitako an-taratasy ny gazety Madagascar Tribune ny Sabotsy teo dia nalaza androany alahady fa nakatona hoe ny tele sy ny radio Viva izay an'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo ankehitriny Andry Rajoelina. Nojereko ny tele ka tsy nisy fandaharana tokoa, nohenoiko anefa ny radio fa misy hirahira mandeha soa aman-tsara.

Gravy tena gravy fa toa tsaho ihany izany izy ity aloha raha ny fijeriko azy, nefa gravy tena gravy raha izany tokoa no tena marina. Inona loatra no antony hanakatonana azy? Amin'izao fitadiavan'ny filoha ny antoko politika rehetra hivory amin'ny 17 desambra 2008 izao ve no lazaina fa hakatona amin'ny antony tsy mazava loatra? Izany kosa ve tsy efa fihantsiana? saingy aza manantena Malagasy hitokona andro fety izany aloha fa zavamasina amin'ny Malagasy loatra izany fety izany. Ataovy izay atao fa ny fety tsy maintsy tontosa. Rehefa vita ny fety ka lany ny vola, any indray isika miresaka!

Hoy aho hoe dia efa misy kosa ny mitady hisian'ny korontana eto amin'ny firenena e! Fa toa tsapako ihany koa avy amin'ilay tsaho fa tena mety mora mipoaka be ihany ity toe-draharaha eto Madagasikara ity! Tsy mpahay momba ny fanakorontanam-pirenena loatra anefa aho na dia izany aza.

Fa natao androany alahady ihany koa ny fifaninanana mialoha ny famaranana eo amin'ny hira fiderana an'Andriamanitra karakarain'ny Mbs ao amin'ny "Raise your voice", fa dia nampiavaka ny tontolo androany ny hira Amerikana tavaratra sy ny teny anglisy, ankoatra ny teny Malagasy fa tsy hita tabilao kosa ilay tenim-pirenena fahatelo haintsika sy ankafizintsika loatra iny. Sa tsy mety hiderana na tsy misy fiderana an'Andriamanitra ny teny Frantsay?

Andeha atao hoe nahafinaritra ihany ilay fandaharana noho ny fikarakaran'ny mpifaninana rehetra ka izay diso paika kely fotsiny dia vita ny azy! raraka hatreo. Miavaka ireo antoko mpihira 4 niakatra ho any amin'ny famaranana satria antoko mpihira mpianatra ny roa amin'izy ireo dia ny Aumonerie Catholique Universitaire sy ny LJF's Choir (Lycée Jules Ferry), Antoko mpihira avy any amin'ny FJKM Ilafy ny tokana amin'ny antoko mpihiran'ny Fiangonana tafakatra ary ny Kapelaony avy any Toliary kosa ny iray izay vondrona mpihira mpiray fihaviana na mpihavana no marina kokoa.

Ny Kapelaony amiko manokana no mety mampiady hevitra satria tsy hitako izay maha-chorale an-dry zareo, ny sôlô no tena manjaka ary olona iray ihany no tena manao izany sôlô izany. Ireo manao hira lafika kosa anefa tsy dia mihira akory... noho izany, amiko, dia tarika mpihira ireo fa tsy antoko mpihira... raha hainareo ihany koa ny manavaka izany. Noho ny fampiakarana mba hisian'ny avy any amin'ny faritra fotsiny, araka ny fijeriko azy, amin'ny famaranana dia lasa sorona tsy tafakatra ny antoko mpihira iray izay tena mba nahafinaritra tokoa ny nataony nefa dia raraka ry zareo: ny Tomima sy Orima (Fahazavana sy fahatanterahana). Nefa anie efa tsy misy tokony idiran'ny fifandanjam-paritra intsony amin'itony e! nef amoa izay no sitraky ny mpitsara dia akory atao nefa tsy maintsy milaza ny hevitro ny tena.

Ho vita hatreo ve ny tantaran'i Madagascar Tribune

2008-12-10 @ 07:26 in Ankapobeny

Efa revo dia revo amin'ny fety ho avy amin'ity faran'ny taona ity ny tontolom-bolongana Malagasy ka tsy mahatsikaritra zavatra tsy mahazatra intsony. Marina tokoa aloha fa tsy azo helingelenina amin'ny fetiny mihitsy ny Malagasy fa zavatra masina tanteraka io aminy. Na izany aza tsy maintsy manoratra ihany ny tena eo anoloan'ny zavamisy.

Andro vitsivitsy izay dia tsy nivoaka teny an-talantalana amidy intsony ny gazety an-taratasy Madagascar Tribune raha mbola mivoaka kosa ny lahatsorany an-tserasera. Noho izay antony izay no mahatonga ny any ivelany tsy hahatsikaritra izay toe-javatra izay. Mifanontany ihany noho izany ny zatra mividy azy hoe lasa aiza ny nalehany. Dia mandeha ny resaka fa amidy na mitady mpividy ity gazety ity amin'izao fotoana izao, tsahoihany aloha izay fa ny ampitso no hanamabara amintsika izay tena marina.

Raha nisy ny gazety malagasy iray nanintona ahy tany alohaloha tany dia ity gazety ity. Nahay namakafaka tsara ireo manao gazety tao aminy. Singa iray tena nitiavako azy ny tsy nisian'ny horoscope tamin'ny takelany. Heveriko fa nanana ny fahalalahany ireo mpanao gazety tao, na nahay nifantina olona ny tompony, hany ka tsy mahagaga raha tafavoaka sy miavaka ireo mpanao gazety tao aminy ka lasa nikopak'elatra hanangana na hiasa amina gazety hafa.

Ny kilemany kosa indray dia ny tsy fahazoany dokambarotra mihitsy. Mety ho ny politikany tsy hanambaka ny mpividy ao aminy ho be takelaka nefa tsy misy vakiana no anton'izany nefa toa nandiso azy izany karazana fepetra tao aminy izany. Mety ho kilemany ilay tsy fametrahana ny fanandroana nolazaiko teo fa toa mila laingalainga ihany ny olona amin'ny ankapobeny. Sandan'ny fitiavan-kametraka ny marina tsy misy fitaka araka izay tratra angamba izao tsy fivoahan'ny gazety an-taratasy izao.

Enga anie handalo fotsiny izao fahasahiranany izao ka hiroborobo indray izy rehefa avy eo.

Aza andefasana entana aty Madagasikara sy tsy mamaky mailaka aho!

2008-12-07 @ 14:52 in Ankapobeny

Eto ampanombohana dia aleo miaiky fa tsy mpamaky ny mailako isan'andro mihitsy aho. Misy mailaka izay efa folo andro izay no niandrasana valiny ahy fa izao vao hitako, efa anjatony manko no tonga ao, lany anefa ny fahana raha any an-trano no hijery azy fa rehefa misy fahafahana mijery mailaka ihany ato am-piasana vao manararaotra ny mamaky aho. Koa aza tsiny indrindra ho anareo rehetra raha maika hahazo valiny ianareo no tsy voavaliko izany. Lasa eto aho no manao mea culpa. Dia inona izany no tena andaniako ny fahana any an-trano? Ianareo izay tsy mbola mahalala dia mandika ny lahatsoratra teny anglisy ao amin'ny Global Voices Online avadika ho amin'ny teny malagasy aho ka io no tena nakana ny fahana. Manararaotra ary aho eto milaza aminareo izay manana fahafahana kely sy fahalalana teny anglisy mba hifanampy amin'izany. Tsy voatery hoe maimai-poana moa izy io fa mba misy sitrany ahay izay ihany na dia hoe tsy ara-potoana aza ny fahatongavan'izy io teo alohaloha teo. Raha misy ny mazoto dia tsy maninona na manoratra aty aza ianareo (na dia tsy mpamaky loatra ny mailako aza aho) fa izaho no hampita azy any amin'ny tonia. Marihina fa izaho dia tsy havanana loatra amin'ny teny anglisy fa miezaka kosa ny hampahazava ny lahatsoratra amin'ny teny malagasy ihany. Manentana anareo, indrindra izay manana fahafaha-miserasera, hifanampy amin'io vohikala ahafahana mampiely vaovao amin'ny teny malagasy io.

 

Manaraka izany, faran'ny taona tokoa izao ka ho avy ny fifampiarahabana sy ny fifanolorana fanomezana. Dia mahatsiaro tampoka izay fahasahiranana nanjo ahy aho sy ireo izay efa nitaraina. Raha vola moa no alefanao aty Madagasikara ataoko fa tsy hitako loatra ny olana hatramin'izao aloha. Fa eo amin'ny entana dia tena tantara hafa, no tena reko. Eo akaiky eo manko ny mpiasan'ny fadintseranana, ka tonga dia misy vola aloa aloha arakaraky ny lanjan'ny entana eo ampandraisana azy... ny fanomezana io... rehefa avy eo azo ny entana dia iangaviany ianao hanokatra ilay entana azonao. Raha toa somary misy sanda izay dia lasa mitombo indray ny vola aloan'ilay mpandray entana. Nisy ny nikaikaika fa lasa lafo noho ny vidin'iny entana iny eto an-toerana aza ny vola aloanao, nefa dia olon-kafa no nividy azy ho anao tany ivelany tany hataony fanomezana ho anao. Dia mahatonga ilay fitenenana hoe aleo tsy andefasana entana aty Dago ity fa tahaka ny hanome fahasahiranana sy fandaniam-bola tsy ampoizina indray aza. Na izany na tsy izany dia mbola tsy fantatro izay fiovana aty aoriana aloha fa ... noho ny fanatonan'ny fetin'ny faran'ny taona no nandrisika ahy hanoratra ity aloha.

 

Marihina fa raha mazoto handika ny lahatsoratra ao amin'ny rohy nolazaiko ianareo dia tsara kokoa manoratra amin'i Lova Rakotomalala. Karohy amin'ny milina fikarohana raha tsy mahadiso aza fady.

Fa raha sanatria moa ny ratsy sy ny tsy izy no nofidian'ny Malagasy?

2008-12-05 @ 20:05 in Ankapobeny

Mivolon'andro fetin'ny faran'ny taona sahady ny tontolom-bolongana malagasy amin'izao fanombohan'ny volana farany amin'ny taona izao. Toa dradraina mandrakariva fa sahirana sy mijaly ity malagasy ity nefa raha ny tontolo no jerena tsy dia hita soritra loatra izany. Toa ny saina fotsiny no mibaiko hoe mijaly aho, sahirana aho, tsy rariny izao sy izao fa ny atao sy ny omanina kosa toa mifangarika amin'izany. Nefa etsy ankilan'izay koa ilay fisainan'ny besinimaro tsy nambara loatra fa na inona fahasahiranana na inona fijaliana, tsy maintsy omanina ny fety, tsy maintsy atao izay hahafinaritra ny tena. Matoa mahavita fety, matoa manao izay mahafa-po na dia mety ho ezaka be aza vao vita izany dia efa ao anatin'ny sokajin'ny manan-katao ianao izay. Fa moa tena mitombina ve izay fisainana izay?

Eo amin'ny andavanandron-dRamalagasy eto Antananarivo, feno mpivarotra ny amoron-dalana maro eto afovoan'ny tanàna. Soa ihany fa noho ny ezaka nataon'ny Kaominina dia efa mba tsy hita loatra aloha ny mpivarotra anaty lalana nanjaka tetsy Behoririka volana vitsivitsy lasa izay. Efa ezaka lehibe izay satria mba nisy ny fifehezana ny gaboraraka manjaka amin'ny olona. Ny olana aminy kosa dia kely loatra ny faritra natokana hoan'ny mpandeha an-tongotra nefa mbola lasan'ny mpivarotra ihany izany lalana efa kely izany. Vokany, ny fiara sy ny mpandeha an-tongotra no mandeha amin'ny arabe. Oadray, misy ezaka vitan'ny Kaominina ihany koa ka, efa voafehy tsy hivarotra amin'ny lalan'ny mpandeha an-tongotra efa voafefy koa ireo mpivarotra amoron-dalana ireo. Tena henjana ny fifehezana ireto olona ireto, indrindra fa ny mba ahafahany manao izay tiany atao no tena nifidianany anao, ka nankahalany ilay resy nofidianay satria tsy nanana antra ny mpivarotra amoron-dalana mihitsy ny ekipa teo aloha. Fa raha sanatria moa...?

Fa mba manao ahoana tokoa moa ny entana amidin'ireny mpivarotra amoron-dalana ireny amin'ny ankapobeny? Izany aho no tena manontany basy amin'ny anglisy! Fa iza indray no tsy mahalala fa entana vita shinoa no amidiny? Entana shinoa izay tsara endrika sy mora vidy ka manintona ery! ny endriny fotsiny anefa no tsara fa ny ankoatra izay mampanompa, ho ahy izay mitady ny hamafiny ohatra! Fa tsy mitovy hevitra amiko velively ny maro an'isa, ny azy ny mora vidy na dia mety ho simba rahariva ihany aza no tena ankafiziny... impiry lazaina fa tsy mety fay! hay tokoa moa vetivety ihany no ilany iny zavatra novidiany iny fa tsy natao hotehirizina iny. Fa raha sanatria moa...? Ka iny no mba takatry ny volany ka!

Endrika hita maso ihany ny fitobahan'ny entana shinoa fa tsy mampivandravandra kosa ny fahasimban'ny tsenan'ny asa tanana sy ny vokatra malagasy. Ny fampiakarana ny harin-karena shinoa na kelimaso no toa tena imasoan'ny mpanjifa na tsy tsapany aza izany, fa tsy tsapany akory fa mamotika tsikelikely hatrany ny fidiram-bolany anie izy raha mbola mividy ireny entana vahiny ireny. Amin'izao fotoana izao, tsy misy mampiavaka ny volon'andro fety intsony ny tsena isan'andro hita eny an-dalana, ankoatra ny fahazoan'ny mpivarotra alalana hanao gaboraraka hahazo hivarotra eny afovoan'ny arabe, ka hamono ny lalana mihitsy... indrindra moa fa iny manamoronany kianjan'ny Mahamasina iny, rehefa avy izay fotoana izay. Manonofy aho raha toa ka tsy hanaiky ny hisian'ny tsena faran'ny taona intsony ny Kaominina amin'ity indray mitoraka ity, fa nofy tsara izany amiko an!

Fa ny tena mahavariana dia ny hafetsen'ireto shinoa ireto amin'ny resaka varotra. Hitany fa ny lamba sy ny entana tonta avy any Eoropa no tena maharoboka ny mpanjifa dia fanahy iniany haka endrika ireny lamba tonta ireny, ary miaraka amin'ny fofona mahatonta mampiavaka azy izay ny entana atobany. Natao ihany ny tsy hiteny fa efa tsenan'ny shinoa tanteraka ny eto Antananarivo. Ary Jereo ireto trano vaovao sy goavana eto Behoririka sy ny manodidina ireto: Efa tena Shinatanàna mandroso sy maoderina mihitsy anie eto e! Ho gaga ianao izay tsy nandalo teto tao anatin'ny volana telo na efatra... fa efa mananika an'Ambodifilao indray ry zareo amin'izao fotoana izao. Ary mihavitsy ny trano ana-Malagasy amin'iny faritra iny an! Tsy ho zanataniny intsony isika avy eo fa tena taniny mihitsy ka ry zareo indray no hifandimby ho filohan'ity firenena ity, ry zareo no tena antsoina hoe malagasy. Ho teny ofisialy fahaefatra ny teny Shinoa. Aza hitako fa aleo sanatriavina...

Raha tsy mahazo ny resaka ataoko ianao, dia faly aho milaza aminao fa na izaho aza tsy mahazo ny resaka ataoko amin'izao fotoana izao. Fa efa manakaiky tokoa ny fetin'ny faran'ny taona e! Dia indro Ramalagasy fa hitady ny hazo tsy misy eto Madagasikara handravahana ny tranony. Dia ny hazo kesika mifanakaiky aminy no indramina horavahana. Efa impiry aho no niteny sy nanoratra fa ireny no mba zavamaniry velona amin'ny tany mangatsiaka ka mamelombelona ny endriky ny fety any aminy fa e-he! Tsy fety amin-dRamalagasy raha tsy misy ireny. Tsinontsinoavina ny toetr'andro sy ny voary natolotra azy. Voankazo anie izany omena antsika isaky ny faran'ny taona izany e! Maninona raha ireny no andravahana ny trano fa mba manana ny hanitra mampanentohento azy koa anie ireny e! Fa matoa mbola misisika hitady ny tsy misy eto Madagasikara isika, sady efa voarara rahateo ny manapatapaka hazo kesika amidy ho an'ny fety, dia mankalaza ny fety amin'ny mahafety Eoropeana azy sy fety Amerikana Tavaratra (mangatsiaka sy mamanala) azy no tena ankafizintsika fa tsy amin'ny mahafety kristiana azy velively.

Dia ahoana izany ireny hazo noely goavana atao ampiangonana ireny? Sao dia efa lasa sekta ary i jentilisa ity na sanatria nivadika ho tsy mpino? Izaho aloha dia tena mba gaga ny hampidirana ireny am-piangonana e! Inona no ifandraisan'iny hazo iny amin'ilay fety nahaterahan'ny Mpamonjy ho an'ny kristiana? Sa hazo fanomanana ny hanantonana azy sahady iny? hihomehy aho raha izay no valiny! Fa misy anganom-bazaha izay nolazaina tamiko fa isaky ny sasakalin'ny 24 desambra izay dia misy fety jentilisa fanaon'ny Eoropeana tsy nety resy lahatry ny filazantsara mandrak'ankehitriny ivavahan-dry zareo mba hampiverina ny masoandro mitady tsy hiverina hanazava ny tany intsony. Dia lazaina fa na mangatsiaka aza ny andro dia mananika iny tendrombohitra mideza iny ry zareo dia manao ny fivavahany. Misy ny milaza fa eo anoloan'ny sapins, izay sisa maniry sy maintso ry zareo no mivavaka sy midera. Tsy mahagaga raha misy ny hira malazan'ny Noely tsy ahitana akory ny anaran'ny Mpamonjy. Fa ny filazalazana hafa moa no niteny fa tany amin'ny taonjato faha XVII tany ho any tany Alsace vao nampidirina an-trano ny fandravahana ny hazo noely an-trano. Mbola baraingo amiko ihany na dia izany aza ny nampidirana io hazo io tao am-piangonana izay lazaina fa tranon'Andriamanitra.

Fa mbola misy zavatra mahavariana ahy ihany koa amin'io rohy ahitana ny tononkiran'ny Mon beau Sapin io. Toa miaraka tsy misy adihevitra ny hazo noely sy ingahy noely kely (petit papa noel sa dadabe noely e?) na i masindahy Claus. Natao hampanonofinofy ny ankizy moa ny fisian'izany ingahy noely kely izany fa rehefa lehibe dia atao tonga saina amin'ny tsy fisiany. Dia gaga amin'ny fianakaviana milaza ny tenany ho kristiana aho raha mampino an'ingahy noely kely ny zanany koa ry zareo? fa raha manao izany izy dia aza gaga intsony rehefa lehibe ny ankizy fa holazainy ho noforonina koa ny tantaran'izany Jesoa oadray Jesosy izany. Ka efa nandainganao izy tsinona koa! fa aza adinoina ilay hoe toa tsy misaraka eo imason'ny tandrefana (araka ny fijeriko ilay rohy) ingahy noely kely sy ny hazo noely izay tsy misy ifandraisany amin'ny nahaterahan'ny Mpamonjy an! Fa mirary mandrakariva ny hahatontosanareo ny fetyaraka izay mahadiavolana ny sainareo hatrany aho na dia izany aza.

Nahoana no hamaham-bolongana momba an'i Afrika[Pourquoi bloguer sur l'Afrique]?

2008-11-23 @ 10:14 in Ankapobeny

Notratrarin'i Jogany aho ka dia hiditra amin'ilay lalao ihany koa. Ataoko fahafinaretana na dia amin'ny teny malagasy aza no anaovako azy. Théophile Kouamouo izay Ivoariana, anisan'ny mpamaham-bolongana mpiteny frantsay manana ny lazany no nanainga indray ity karazan-dalao ity: "rojom-bolongana" hijery na/sy hiresaka momba an'i Afrika. Mandritra ny tapabolana no andrafetana izany rojo izany.

Hafa mandrakariva manko ny fijerin'ny hafa an'i Afrika. Tsy te-hitanisa lalina izay fijery matroka momba azy aho fa izay tadivina adinoina no havandravandrako. Vao miteny hoe Afrika manko dia olona mainty hoditra mandrakariva no ao an-tsaina voalohany, hany ka tsy mahagaga raha misy mandrakaviva ny miteny fa Madagasikara dia tsy Afrika. Ekena tokoa fa ny maro an'isa indrindra amin'ny Afrikana dia ny mainty hoditra nefa na dia ny loko mainty aza dia misy isan-karazany ihany koa fa misy ny ngizina ary misy ny somary mazavazava.

Azo lazaina ihany koa anefa fa manana ny volonkoditra isankarazany indrindra toy ny avana ihany ny mponina eto Afrika ary antsoina hoe Afrikana. Na dia taranak'olona melaziana aza aho ny faritra misy ahy dia Afrika, noho izany dia Afrikana aho. Ny Afrikana ihany koa misy fotsy hoditra avy tany Eoropa ka ny tapany tena atsimon'i Afrika no betsaka izany indrindra.Ny Afrikana ihany koa misy taranaka Arabo ka ny ilazana azy moa dia Magrebiana amin'ny ankapobeny. Ny Afrikana ihany koa misy taranaka aziatika sy karana, satria tsy eto Madagasikara ihany no be ny karana fa betsaka ny tany Afrikana no misy azy ireny fa ny mahamaro an'isa azy ireny indrindra aloha dia ny nosy Maorisy.

Tsy hoe izay monina eto Afrika ihany no Afrikana fa izay manana fo mitempo ho an'i Afrika ihany koa. Maro ireo hafa fihaviana izay tandrefana moa no tena maro an'isa no mahatsapa tena hanangana tetikasa ho amin'ny fampandrosoana, ho amin'ny fampivelarana ny mahaolona, ho amin'ny fampianarana, ho amin'ny fampianarana sy ny sisa maro tsy voatanisa. Na mandalo fotsiny ihany aza izy ireny, na tsy honina eto Afrika aza izy ireny, nitempo ho an'i Afrika ny fony satria nahatsapa ny mahaolona manampanahy azy izy.


Fa ny tena tsara indrindra amin'ny fieritreretana an'i Afrika araka ny eritreritro dia ny fitarihana ny olona ao aminy hahay hivelatra, hahay hitempo ho an'ny taniny ka hanolokolo azy, tsy hanonofy hitsoaka an'i Afrika mandrakariva fa hieritreritra ny mahatonga ny hafa hihazakazaka ho aty Afrika ary hametraka ao an-tsainy fa hay misy zavatra azo atao koa aty. Lalana sarotra mety ho nofinofy ihany izany saingy iza moa no nanampo fa hisy metisy Afrikana hitondra izany firenena tandrefana lehibe indrindra izany? Saingy mbola vao dimampolo taona monja manko no nitolona ho amin'ny fitoviana ny mainty [tonga dia Afrikana no ao an-tsaina amin'izany saingy Amerikana ireo ka] fa toy ny tsy nananjò teo aloha. Fa na izany na tsy izany dia naharesy lahatra ahy ihany koa ny fivorian'ny [justice et paix raha tsy diso aho] tany Afrika izay hoe: ny tena fanampiana an'i Afrika dia ny tsy manampy azy [hahatonga ny fiakinan-doha amin'ny fanampiana mahazatra azy] saingy ho be ny ho tezitra raha maheno izany.

Mangataka ny hevitr'ireto mpamaham-bolongana manaraka ireto aho hanohy ny rojom-bolongana ho an'i Afrika:

Kdaombaramita satria toa manimanina ny eto an-tanàna iny havako iny ka hahalala tsara ny fahafinaretana niainany tamin'ny faritra iray amin'i Afrika na dia mety ho madagasikara ihany aza no nodiaviny.

Dotmg satria toa mety indrindra amin'ny what if... ity rojom-bolongana iray ity.

Maintikely satria tsy menatra ny milaza ny mahamainty azy izy fa toa karazana rehareha aza izany.

Lomelle satria efa mihamazoto manoratra iny zandriko iray notsongaiko ao amin'ny foko blog club iny.Dia afaka mitagy ireo namana be dia be ao amin'ny foko-madagasikara ihany koa ianao.

Maro ianareo no tiako tagena (indrindra fa ny ato amin'ny blaogy.com saingy iray ihany no notsongaiko) saingy manjary tsy misy hotagena intsony ny namana hafa ka aleo aloha ajanona amin'ireo. Marihina fa azo atao amin'ny teny frantsay na teny anglisy tsara ity rojo ity ary izay no mbola namelako ny lohateniny amin'ny teny Frantsay ho eo ihany. Raha misy moa ianareo tonga dia mazoto ny hanoratra avy hatrany na tsy voatagy aza dia arahaba soa arahaba tsara. Roa herinandro ihany ny faharetan'ny lalao ô!

Barcamp Antananarivo 2008 Madagascar araka ny sisa tadidiko

2008-10-08 @ 06:00 in Ankapobeny

Tsy hohadinoina velively tsy akory ity vanim-potoana iray nandalo teto Antananarivo tamin'ny Asabotsy 4 oktobra 2008 ity. Sambany rahateo ka mety ho be ny ny tsy mahalala izay tena nitranga nandritra ny tontolo andro. Tsy nandray naoty na tamin'ny penina sy ny taratasy aho na tamin'ny findain-tsolosaina nefa hosoratako aloha ny fandehan'ny raharaha tao araka ny tadidiko.

Voalohany, miainga amin'ny zavatra somary mahatsikaiky ihany aho. Fantatro tsara fa ho maromaro ihany ny hitondra solosaina finday. Mazava loatra fa tsy entina miharihary iny fa entina anaty kitapo kosa. Izao anefa, na dia mihamora aza ny vidin'izy io noho ny fidinan'ny sandan'ny vola dôlara dia tsy mbola nividy aho no sady mety mbola tsy mahatakatra ihany koa. Ahoana ary ny nataoko. Nitondra kitapo ihany aho, fa boky lehibe misy izay nosoratako nandritra ny taona 2006 sy 2007 no nataoko tao. Mitovitovy habe nefa mety hitovy lanja amin'ny findan-tsolosaina io boky io ka nihomehy anaty ihany aho nitondra ilay izy. Sahala amin'ny nde mba hoe manko.

Ny nanokatra ny raharaha moa dia i Diana Chamia, tovovavy mpianatra mpanao gazety avy any Mahajangà any. Tiany ny manampy ny mpiara-belona aminy ka izay no nahatonga azy nanao izay hanampiana ny renin'i Kamba (Kamba izay misy toy ny trafo ao amin'ny handriny) tamin'ny alalan'ny bolongany aloha, hitan'ny Malagasy mpiara-belona manerantany iny ka nampihetsika ny fanampiana io zaza io sy ny reniny. Fikambanana maro no nihetsika fa ny fantatro aloha eto amin'ny serasera dia ny Namana serasera (na ampielezana na eto an-toerana) sy ny foko-madagascar. Fantampantatra ihany fa mbola misy ny hetsika hafa saingy misy moa no tsy dia loatra ny itantarana azy nefa dia isaorana mandrakariva ny karazan'olona tahaka ireny manampy ny mpiara-belona aminy sy manaporofo fa mahay mifanampy ihany koa ny samy Malagasy.

Nifandimby amin'izay ny mpampiasa ny software na mpandrindra ny momba ny rindrakajy (araka ny infogasynet sy i Mahefa) na ny rindrambaiko araka an'i Di... (Henry Rahaingoson). Ny tena tafalentika ao an-dohako aloha dia ny hoe hafa ny rindrambaiko na rindrankajy malalaka sy maimaipoana sy ny rindrankajy na rindrambaiko malalaka fotsiny (logiciel libre et gratuit sy ny logiciel libre fotsiny). Ny faharoa dia mety hoe amidy aminao ny entana ary omena anaoihany koa ny lakileny hifehezanao azy manontolo. Tsy lazaina moa amin'izany ny rindrambaiko na rindrankajy manatompo. Mihaino tsara fotsiny aho fa mety ho azoko ihany ny momba azy rehefa tena liana aho. Nifandimby niresaka teo ny avy amin'ny C3lf Fianarantsoa sy ny amul ary ny eboons. Mety hozokoa ihany manko izay nambara fa tsy ahiko kosa ny mampita azy rehefa tsy nisy ny fitaovana manokana ho amin'izany.

Ny tena tadidiko teto dia ny resaka nataon'i Haja Ramboasalama filohan'ny Amul araka ny reko momba ny IXP. Tsotra ny fanazavany azy: raha misy olona roa samy eto Madagasikara mampiasa FAI (Fournisseur d'Acces  l'Internet na mpanome tolotra ifaneraserana) samihafa dia izao no zavamisy: Mampiasa FAI iray i Koto hampita hafatra amin'i Soa mampiasa FAI hafa kosa. Mankaiza ny lalan'iny hafatra iny? Miainga eto Madagasikara ilay hafatra dia mankany amin'ilay FAI ampiasain'Ikoto dia lasa any Alemaina mandalo any Etazonia vao miverina eto Madagasikara mankao amin'ny FAI misy an'i Soa vao tonga any amin'i SOa. Izany hoe lasa lavitra ny lalana, elaela kokoa vao tonga ny hafatra sady lafolafo kokoa ny saran'izay. Tsy mahagaga raha sady vitsy mpampiasa aty Afrika no aty Afrika ihany koa no lafo indrindra ny saran'io serasera io. Arakaraky ny habetsaky ny mpampiasa rahateo izany. Tranga faharoa, Misy vitsivitsy maromaro ny FAI mifanaraka mba ho kely kokoa ny fandaniam-pifaneraserana. Misy hatrany anefa ny FAI tsy miditra anaty fifanarahana, mbola hisy ny olana rehefa tsy ny FAI no mifanaraka.

Inona ny vahaolana natolotra? io IXP io izay manana anarana hafa maromaro ihany koa saingy noadinoiko tanteraka. Eo amin'ny Besinimaro dia karazana foibe iray mitovy asa amin'ny Switch (internet) goavana dia goavana io IXP io ka izay te-hanamora ny fifandraisana rehetra dia mifandrohy aminy avokoa. Inona ny tombotsoa azo avy amin'ny fampiasana ny IXP? Tsy voatery mankany Alemaina, Frantsa, Etazonia ny lalankafatra vao hiverina eto Madagasikara indray fa eto Madagasikara ihany ny fivezivezeny. Faharoa, raha sanatria misy manapoaka na mikatso tanteraka ny zanabolana (mety mitranga izany ary azo heverina mihitsy ny hisiany) dia mbola afa-miasa ihany ny aterineto eto Madagasikara fa tsy hiaramaty amin'ny an'izao tontolo izao. Mbola afaka hiasa avokoa ny banky ny sy karatra solombola rehetra hifandraharahana ary ny orinasambarotra mampiasa serasera rehetra. Fanirian'ny mpanolotra mba tsy ho tratra aoriana tahaka ilay hazondamosin-tserasera (backbone) nandalo tao atsimon'i Faradofay folo taona lasa izay ny fieritreretana ity IXP izay tokony ho tombotsoa lehibe ho an'ny Malagasy manontolo io.

Nanaraka indray i Pierre Maury niresaka momba ny boky avoakany amin'ny alalan'ny aterineto, ka ireo boky efa tsy ananan'ny taranaky ny mpanoratra zo intsony, talohan'ny fitopolo taona lasa izay (1938) no avoakany. Mazava loatra fa noho ny tsy-fifehazany ny teny malagasy dia izay boky amin'ny teny frantsay ihany no avoakany ao amin'ny bolongany sy ny vohikalany. Asa, anjaran'ny hafa indray izany ny miresaka momba ny boky nivoaka tamin'ny teny malagasy. Mazava loatra fa mba tsy handikana ny lalàna dia izay efa lasa fananambahoaka ihany no azo avoaka, izany hoe izay rehetra talohan'ny fanjanahantany sy izany nandritra ny fanjanahantany hatramin'ny taona 1937.

Niditra indray i Avylavitra efa nahiako tsy hoavy, soa fa tonga na dia fantatra aza ny fahasahiranany, niresaka momba ny fahalalaham-pitenenana sy fahalalana mamoaka vaovao eto Madagasikara. Nolazainy fa miditra ho elanelam-panahy izy, tsy mpanohitra bontolo ary tsy mpanohana be fahatany. Resaka politika izany lazainy izany! Eto moa dia efa taratra sahady fa mifankahita tsara amin'izay ny mpampiasa ity kajimirindra ity nefa samihafa ny tontolo iainany sy ny fampiasany ny solosaina. Samy miezaka mahazo ny ataon'ny ankilany ny andaniny avy. Asehon'ny mpamaham-bolongana fa haingana kokoa ny famoaham-baovao avy amin'ny olotsotra mampita vaovao noho ny an'ny gazety izay mbola miandry fankatoavana avy amin'ny tonian'ny fanoratana. Ny mpamaham-bolongana kosa dia araka ny sitrapony ihany na hamoaka ny vaovao izy na tsia. Ny ahy moa tsy hitako loatra izay lazaina. Nilaza ny fivoriana vao natrehiny tany Brussels notohan'ny Rising Voices kosa i Pati (et toi).

Nilaza izay tokony atao raha tiana ho hita amin'ny aterineto kosa i Ariel ary nolazainy fa ny soratra na fihetsiketsehana iray dia telo volana mialoha ny fotoana no tsara anoratana azy mba ho hita tsara izy amin'ny andro ilàna azy.

Ny zavatra iray mila avoitra ihany koa dia ny ezaka manokana ataon'i Mahefa hametrahana tsikelikely ny fanitsiana ny teny malagasy izay mitady fanampiana amin'ny namana rehetra mahafehy ny teny malagasy sy ny rindrankajy na rindrambaiko hiara-manatontosa io tetikasa fampiroboroboana ny teny malagasy io. Asa izy raha afaka manome fanazavana bebe kokoa satria tsy tokony hiasa irery amin'io tetikasany io ary ho hitako ihany koa ny hanampiana azy. Izay sy izay aloha ny tena tadidiko, misy dia misy ny tsy voalazako toy ny an'i Herizo sy Tosoa saingy rehefa tsy voafehiko ny resaka aleo mangina.

Barcamp Antananarivo Madagascar 2008: Saiky nolazaiko fa novako!

2008-10-04 @ 21:02 in Ankapobeny

Izany tokoa angaha no atao hoe eo ampandrasana no mahita ny atiny. Nisy ihany manko ny fanomanana nataoko tamin'ity Barcamp notontosaina tao amin'ny Ivotel Ambohidahy manana ny kintana telo androany 4 oktobra ity. Efa nanomana soa amantsara ny amin'ny GlobalVoices Online sy ny mombamomba azy ary ny zavatra ataony aho; kanjo hitako amin'ny mpanatrika fa bebe ihany ireo tsy mahalala akory ny amin'ny atao hoe Blog na blaogy na bilaogy na bolongana. Tsapako mazava tsara anefa fa tsy ho azon'ny maro mpanatrika akory izay holazaiko raha tsy milaza ny amin'ny blog sy ny mpamaham-bolongana aho aloha. Karazana fifanakalozan-kevitry ny mpamaham-bolongana maromaro manko no mampiorina ny GVO. Tery aho noho izany hilaza tsotsotra ny fanaon'ny mpamaham-bolongana. Izany no tena atao hoe izay tonga ao an-tsaina fotsiny no lazaina, tsy fantatro izay fidonany any amin'ny mpanatrika fa tsapako ho be ihany ny zavatra noadinoiko indrindra fa ny fanentanana izay manana fahafahana kely hiara-dalana handika ny GVO ho amin'ny teny malagasy. Mety hitohy ny filazalazako ity Barcamp notanterahina teto Antananarivo ity.

Na izany aza nahafinaritra ny fiarahana tao. Ity napetrako eto ambany ity na dia izany aza ny saiky holazaiko tamin'io fotoana io izay novaina taminn'y fotoana farany mialoha indrindra ny handraisako fitenenana:



Misaotra izay rehetra nitoto nahafotsy nahandro nahamasaka ity fihaonana ity aho nahatonga antsika ho vory etoana - sy nanolotra anjara fotoana ho anay - hiara-mitapatapak’ahitra amin’ireto vato nasondrotry ny tany, trafo nasongadin’ny vozona eo amin’ny fikirakirana ny kajimirindra , ny serasera ary ny fifandraisana izao. Tsy ho afaka ny hihambo ho tahaka azy ireo izahay fa mpampiasa tsotra ihany ka izay kely fantatray ihany no holazalazainay. Koa aza tsiny indrindra re raha toy ny mipasoka ny efa malama izahay eto anatrehanareo. Aza fondro ihany koa raha amin’ny teny malagasy no hanaovanay izao famelabelarana izao fa io ihany no tsy mba mahavotsa vava anay. Hay renesina sy vakiana ihany manko ny teny frantsay sy ny teny anglisy fa mampiahotrahotra kosa ny miteny azy noho ny tsy fahazarana indrindra. –indrisy-

Manaraka izany, tsy tonga teto amim-pahatezerana akory izahay na nigadona teto tamim-pahavinirana ka hanadino ny fomba tsotra indrindra koa miarahaba ny andriambavilanitra sy ny andriandahin’ny tany rehetra na ny avy eto an-toerana na ny avy lavitra na ny avy any ampita. Miarahaba ry Malagasy,miarahaba ry vahiny.

Izay re no ela, fa ny lohahevitra lazaiko eto dia ny momba ny globalvoices online amin’ny teny malagasy. Tranokalan-tserasera anankiray izany no holazaiko aminareo. Tandra vadin-koditra amin’ny Globalvoices online amin’ny teny malagasy ny Globalvoices Online amin’ny ankapobeny ka tsy maintsy hazavaina etoana.

Nitsangana nandritra ny fihaonan’ny mpiserasera avy amin’ny vazantany efatra sy ny firenentsamihafa nangetaheta ny hanana sehatra iray ifampizarana sy ifanakalozankevitra tamin’ny volana desambra 2004 ny GVO.

Antom-pisian’ny GVO ny manangona, ny manadio na ny mifantina, ny mampivoitra ary ny mamoaka ny vaovaon’ny toerana sy ny vaovaon’ny mponina tsy voaresaky ny fampahalalambaovao lehibe sy malaza amin’ny ankapobeny (ny fampahalalam-baovao tandrefana izany). Izany no antony tsy ahitana loatra izay soratan’ny olona tia mampita vaovao sy hevitra avy any Eoropa andrefana sy Amerika avaratra ao amin’ny GVO. Kendreny izany izay hampisongadina ny vaovao heverina ho manan-danja sy lehibe amin’ny olona any amin’ny faritra tsy nosahanina na tsy hitan’ny mpampahalala vaovao lehibe tandrefana voalazako teo ihany. Amin’ny teny anglisy no amoahana ny lahatsoratra ao amin’ny GVO nefa ny loharanom-baovaony tsy voafetra ho teny anglisy ihany fa mety ho avy amin’ny teny frantsay, na esipaniolona, Paortigey, Swahili, persa, Shinoa eny fa na dia amin’ny teny malagasy aza. Tombony lehibe ho antsika manko ny fananantsika Malagasy roa mandray anjara ao. Olona samy mipetraka sy miasa any Etazonia ireo olona ireo. Koa aza atao mahagaga anao intsony rehefa mitsidika ny GVO ianao ka mahita ny vaovao na fifanakalozankevitra na adihevitra eo amin’ny Malagasy eto an-toerana na any ivelany izay misy Malagasy ihany koa.

Ahoana indray moa ny amin’ny fampitan’ny GVO vaovao sy resaka ? Isika eto Madagasikara aloha amin’ny ankapobeny dia mbola anatin’ny fari-tserasera miadam-pifandraisana. Misy ihany ny serasera haingam-pifandraisana saingy mbola nofinofy ho an’ny sarambambe ihany izany noho ny halafony. Noho izany antony izany no tsy ahitan’ny maro karazam-pampitam-pifandraisana ankoatra ny soratra sy ny saripika na ny sariitatra amin’ny Blog, bilaogy na Bolongana hoy aho izay. Misy isankarazany anefa ny fampitan-kafatra azo atao. Eo ny fampitam-peo, ny saripika ifampizarana efa voalaza teo sy ny lahatsary na oronantsary hoy isika. Io lahatsary io aloha no mbola olana manokana amintsika eto satria sakana ho antsika ny halakim-pifandraisana takatry ny besinimaro amin’izao fotoana izao. Ampiasain’ny GVO avokoa ireo fomba fampitan-kafatra fototra ireo.

Raha eo amin’ny endrika indray dia misy karazany roa ny lahatsoratra hita ao amin’ny GVO. Voalohany ny endri-dahatsoratra fohy antsoina hoe Link na Lien na Rohy izay mamintina avy hatrany ny ambaran’ny lahatsoratra na lahatsary na saripika na fandraisam-peo voarohy. Amin’ny ankapobeny dia eo anelanelan’ny 5 ka hatramin’ny 10 isan’andro eo ny Rohy avoakan’ny GVO. Ny endrin-dahatsoratra faharoa kosa indray dia somary lavalava kokoa antsoina hoe weblog ka mety ho hita ao avokoa ny karaza-pampitam-baovao rehetra ary mety hifandrohy amina lahatsoratra vitsivitsy maromaro ihany koa io weblog io.

Manana lahasa hafa ihany koa anefa ny GVO amin’ny alalan’ireo tetikasa ao aminy. Samihafa be ihany aloha ny fahaizana amam-pahalalan’ny olona rehetra. Noho izany misy ny lasa aloha ary misy ny tratra aoriana. Ny lasa aloha moa dia efa tombondalana ho azy izany. Ny GVO kosa dia mitodika amin’ireo tratra aoriana amin’ny fahalalana itony fitaovam-piseraserana itony. Manoro lalana sy manazatra ireo izay liana amin’ny fampitam-baovao ny GVO amin’ny alalan’ny sampana mpirotsaka an-tsehatra dia ny Rising Voices izany. Manorotoro ny fomba fampiasana ny fitaovam-mpampitam-baovaon-tserasera rehetra izy ka raha ny eto Madagasikara no resahina dia ny fikambanana tsy miankina FOKO no miara-miasa amin’ny Rising Voices. Fahasoavana ho antsika toy ny ilo mby an-doha izany ka enga anie tsy hiraraka foana hanala baraka antsika.

Manaraka izany, tsy mitovy fahalalaham-pitenenana sy fahalalahana hihaino ihany koa ny olon-drehetra manerantany. Mbola misy ireo mponina voageja tsy afa-miteny sy tsy omem-baovao any rehetra any. Enjehina, samborina, gadraina izay sahisahy miteny manambara izay tian-kafenina. Manana sampana misahana ny tranga-javatra tahaka izany ihany koa ny GVO dia ny GlobalVoices Advocacy izany. Karazana mpisolovava ny GVO amin’izay fotoana izay nefa manana torolalana ho an’ireo mpamaham-bolongana voatampim-bava ihany koa izy. Tsy dia ataontsika resaka lava loatra ny amin’iny raha tsy amin’ny fotoanany angaha satria mbola mahatsiaro afa-miteny na afa-manoratra aloha aho amin’izao fotoana izao.

Mamaramparana isika, nivoatra ny lahasan’ny GVO. Tsy nionona intsony tamin’ny famadihana izay teny fantany ho amin’ny teny anglisy ny GVO. Hetahetan’ny Mpamaham-bolongana Frantsay vitsivitsy nandritra ny fihaonamben’ny GVO tany Delhi tany Inde tamin’ny 2006 ny hananganana GVO ho amin’ny teny Frantsay tahaka ny amin’ny teny Shinoa izay nitari-dalana tamin’ity raharaha ity. Liana ny hanao tahaka izany ihany koa ireo amin’ny fiteny hafa toy ny Esipaniolona, ny Paortigey, ny teny Japoney. Nanomboka teo no nametrahana ny GVO Lingua. Iray ao anatin’ny 15 mamahana ny Lingua amin’izao fotoana izao ny Globalvoices amin’ny teny malagasy.

Tsara ny manamarika fa ny GVO amin’ny teny malagasy no fandikanteny voalohany ho an’ny tenin’ny mponina aty amin’ny ila-bolantany atsimo ka tokony ireharehantsika izany. Miezaka izahay mpandika teny hanao izay hahaliana anareo amin’ny vaovao rehetra manerana izao to