Ny fanalan-jaza : aza mba tratran’ny fihatsaram-belatsihy sy voafitaky ny henatra

2021-10-24 @ 23:45 in Ankapobeny

Adihevitra iray mandeha amin’izao fotoana izao eto Madagasikara ny volavolan-dalàna iray izay tonga dia raisin’ny maro ho fanalan-jaza na dia misy anarany amin’ny teny frantsay aza. Efa nisy ny volavolan-dalàna natolotra mitovitovy amin’izany ihany dimy taona na mihoatra izay teny amin’ny antenimieram-pirenena fa tratran’ny fandavana moa araka ny resaka ao amin’ny media sosialy ao. Nanana ny lazany, indrindra fa tany Frantsa izay tahafin’i Madagasikara matetika, izany « Interruption Volontaire de la Grossesse »  izany… fa ity tsy neken’ny maro teto. Ankehitriny kosa indray  dia volavolan-dalàna mametraka ny anarana teny frantsay manao hoe « Interruption thérapeutique de la Grossesse».

Ny Fiangonana Kristiana maro eto Madagasikara amin’ny alalan’ireo mpitondra fivavahana ao aminy dia mirona avy hatrany amin’ny fanoherana ny fanalan-jaza. Safidy sy faharesen-dahatra izany fa ny soratako etoana kosa indray dia fampisainana hoe mifanaraka amin’ny filazantsaran’i Kristy tokoa ve ny ampianarina na ny torian’ny Fiangonana eto Madagasikara, indrindra fa amin’ity lafiny iray ity? Tsy hanamarina na handiso izay atao sy lazain’ny Fiangonana aho fa hevitro fotsiny ny hoe anisan’ny asan’ny Fiangonana ny mamory ireo very na voahilikiliky ny fiaraha-monina sy ny hitaiza azy ireny tsy hamerina intsony ny fahadisoany.

Endrika idealin’ny ankohonana ny fisian’ny ray sy ny reny ary ny zanaka fa betsaka anefa ireo ankohonana no banga ny iray amin’ireo toko telo ireo : misy ny ankohonana tsy misy ray, misy ny ankohonana tsy misy reny ary misy ny ankohonana izay mpivady ihany no mandrafitra azy fa tsy manan-janaka ry zareo. Ny betsaka indrindra amin’ireo dia ny ankohonana tsy misy ray, sady voasakana tsy hanana andraikitra ao am-piangonana matetika ilay reny tsy manambady ara-dalàna… na tratran’ny fahamenarana ka tsy miditra am-piangonana intsony raha tsy hoe misy fiangonana mitory ny filazantsara amin’ny toerana iray vao nidirany ka mandray ireo mangetaheta ny teny sy ny sitrapon’Andriamanitra.

Lava izay voasoratra izay fa misy tantara izay ao amin’ny filazantsara ao, Jaona 8 :1-11 no misy azy mazava tsara. Tantaran’ilay vehivavy lazaina ho azo olan-tanana nijangajanga, izany hoe raha lazaina manta sy tsy ankifidy teny dia vehivavy tratra niray tamin’ny lehilahy tsy vadiny nentin’ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ho eo amin’i Jesoa mihitsy hitsapany ny heviny. Mariho mazava tsara ireto zavatra manaraka ireto :

Voalohany, nandritra ny fotoana nampianaran’i Jesoa no tonga avy any ireo mpahay ny lalàna (izay azo lazaina hoe mpahay Soratra Masina raha amin’izao fotoana izao) ireto. Tapaka izany ny fampianarana nataon’i Jesoa tamin’ny vahoaka tao an-tempoly fa teren’ireto olona ireto hamaly izay tokony atao amin-dravehivavy i Jesoa.

Faharoa, ravehivavy no azo fa lasa aiza ralehilahy ? Ahoana no ilazana fa tratra nijangajanga izy nefa tsy nisy lehilahy na olona hafa tratra niaraka taminy nanao izany fijangajangana izany ? Sa, sao dia bevohoka tsy manambady ary ravehivavy ka ny vohoka nentiny no porofo iampangana azy ho nijangajanga ? Dia tsy nitady hevitra hanesorana ny zaza ve ravehivavy rehefa hitany fa bevohoka izy ? Aoka atao mazava tsara fa tsy misy filazana hoe bevohoka izany mihitsy ny lahatsoratra tondrointsika eto fa faminavinana fotsiny izany noho ny tsy fahitana sy ny tsy fahafantarana hoe iza ilay lehilahy niaraka taminy (na mety ho nahabevohoka azy).
 
Fahatelo, niondrika i Jesoa ary nanoratra tamin’ny rantsa-tanany ny tany teo anoloany nandritra ny fotoana nitenenan’ireto olona nitsapa na nanadina azy ireto. Inona no dikan’io fihetsika io ? Soraty ho lalàna izay ambarako etoana ? Mieritreritra izay holazaina ? Avy eo izy nitraka dia niteny hoe « izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy voalohany » ary dia niverina niondrika izy ka nanoratra indray.

Manaraka, niala tsikelikely nanomboka tamin’ny zokinjokiny ka hatramin’ny zandrizandriny ireo olona tonga hiampanga ilay vehivavy satria samy nanota daholo, tsy nisy na iray aza afaka nitoraka ilay vehivavy voalohany. Efa nanota na dia ny mpahay lalàna sy mpanora-dalàna sy izay miseho masina aza. Feno fihatsaram-belatsihy ry zareo nanatona an’i Jesoa saingy niala maina rehefa tratra tamin’ny laingony : Samy manam-pahotana avokoa fa matoa ny zokinjokiny no niala voalohany dia satria mahatsapa ihany ao anatiny ao fa be fahotana. Ny zandriny kosa indray sakodiavatra satria ny mety ho mpitarika no niala mialoha.

Tohiny, hoy i Jesoa tamin’ilay vehivavy « Izaho tsy manameloka anao ». Nahoana izy no tsy manameloka ? Izay rehetra miseho mahalala ny Soratra Masina sy mahalala an’i Jesoa dia tokony hahafantatra fa (farafaharatsiny eo anatrehan’i Josefa izay lasa tondroina ho rainy nefa mahafantatra tsara fa tsy rain’ny zaza izy) dia zaza tsy manandray izy (eo amin’ny Fiarahamonina raha tsy nozanahin’i Josefa), ary bevohoka azy tsy anatin’ny fanambadiana ara-dalàna (fa vao mifamofo) ny reniny.  

Ny tantaran’ny Fiangonana anefa tsy hahitana loatra ny fiahiana ny zaza tsy manan-dray fa feno tranga kosa amin’ny fanilihana ny vehivavy tsy manambady nefa nisafidy ny hiteraka sy hamelona ny zanany. Zary voaheloky ny Fiangonana miseho ho masina ilay vehivavy nolazain’i Jesoa hoe « izaho koa tsy manameloka anao ». Tsy hitan’ny Fiangonana na iniana tsy fantarina anefa izay lehilahy nahabevohoka ilay vehivavy dia toa mitovy amin’ireto nataon’ny Mpanora-dalàna sy ny fariseo ka ny vehivavy ihany no ampangaina (mety noho ny vohoka no porofon’ny fijangajangany). Fa mifanindran-dalana amin’izany, odian’ny Fiangonana (andeha atao hoe sasany) tsy fantatra na tsy resahana ireo fantatra ihany fa bevohoka saingy nanala zaza noho ny henatra.

Fehiny, tsy misy mihitsy hatreto fanamelohana na fiarovana ny fanalan-jaza fa ny antony iray mety ho mahatonga ny fanalan-jaza no voalaza. Arovan’ny Fiangonana sy sahaniny amin’ny tsy fanilihana mivantana na ankolaka ve izay vehivavy niteraka tsy manambady satria na Jesoa aza tsy manameloka azy raha ny hita ao amin’ny Jaona 8 :11b ? Koa raha tsia no valin’io fanontaniana eo ambony io dia inona no tanjon’ny Fiangonana manameloka ny « fanalan-jaza amin’ny endriny rehetra » nefa tsy anontaniana ny heviny ny amin’izany izy ? Mariho tsara ny tantara fa tsy i Jesoa no nisolantsolana nanakana ireo mpanora-dalàna sy fariseo tsy hitoraka ilay vehivavy fa ry miseho ho masina no nanapaka ny fampianaran’i Jesoa tamin’ny vahoaka. Dia tokony haka tahaka ny nataon’i Jesoa koa ny Fiangonana. Hanamelohanareo ahy ve izay voasoratra rehetra izay ?

Lalàna nolanian'iza? Nampiana fanitsiana avy amin'ny MSK

2021-10-22 @ 20:45 in Kolontsaina

Hagagàna ny ahy raha nahita ireto mpanao gazety tezitezitra androany tao amin'ny tambajotran-tserasera tao. Hay misy ity tenimita avy amin'ny minisitry ny serasera ity mametraka fa tsy maintsy maka alalana any aminy raha hanao sarimihetsika na hanao fanadihadiana (reportage). Voasembatsembana tanteraka ny asan'ny mpanao gazety. Ny sarimihetsika ihany koa tsy mahazo manao dika na fijery mampihomehy amin'izay ataon'ny politisiana raha ny fandinihana azy. Na dia ny "documentaire" aza moa dia tsy maintsy akana alalana.


Iza no namolavola ny lalàna ary iza no nandany azy? Inona no tanjona amin'ny fametrahana lalàna tahaka itony? Angamba efa hoavy tsy ho ela ny fangatahana alalana rehefa hamoaka vaovao. Mariho tsara ireo fotoana ireo fa tsy nisy tamin'ny fotoana nitondran'ny mpanao didy jadona Ravalomanana Marc na dia ny iray aza.

[Fanampiny] Ilay lahatsoratra teo aloha no nantenaina hisy fanitsiana, kanjo ity iray ity no nivoaka, ampitson'ny nanehoana ny taratasy voalohany imasom-bahoaka.

Ny tsikaritra dia tsy avy amin'ny minisitra ny sonia na dia nolazaina ho amin'ny anaran'ny minisitera aza.

 

Resy tsy miady! mandra-pivoaka izay mety ho fanitsiana!

2021-10-19 @ 23:29 in Ankapobeny

Efa nosoratako any amin'ny tambajotran-tserasera any fa am-bolana aho izao no tsy manaraka vaovao mijery fahitalavitra. Rehefa dinihina dia ahitana vaovao haingana ny media sosialy na mety hisy fitongilanana sy tsy feno aza. Etsy ankilany dia toy ny zava-mahadomelina ihany koa io rehefa ijanonana ela loatra ao aminy ao, satria sarotra ny ivoahana avy ao rehefa mahatsikaritra fa lava ny fotoana nolaniana tao.

Ny nanaitra izao dia ny filazana fifampidinihana teo amin'ny mpitondra fanjakana sy ny mpitantana ny CFFA izay ekipa vao haingana saingy efa nisolotena an'i Madagasikara sahady eo amin'ny sehatra baolina fandaka afrikana. Iray amin'ny nampalaza azy ny nandraisany ny lokon'ny antokon'ny mpitondra. Niadian-kevitra teo amin'ny tontolon'ny mpankafy io ny amin'ny tsy tokony hampidirana politika ny fanatanjahantena.

Rehefa resin'ny Interclube avy ao Angola tamin'ny isa 0 sy 3 tao Mahamasina ny CFFA dia nanambara ny 19 oktobra 2021 fa hanambara ny ekipany ho "forfait" amin'ny lalao miverina. Nilaza kosa ny mpitondra fanjakana fa hanamboarana kianja manara-penitra ao Atsimondrano ny vola saika hampiondranana ity ekipa ity. Tezitra avy hatrany ny maro tamin'ireo nahazo ny vaovao hoe ahoana ity resy tsy miady ity, io ekipa io ve ilay nolazaina fa asolo ny Barea? Toe-tsain'ny mpanao fanatanjahantena ve izany? Efa nisy ny lalao nanan-tantara teo amin'ny baolina fandaka fa mbola afaka miady tsara amin'izany isa izany na dia hoe resy an-trano aza.

Iray amin'ny nahatonga ny resabe manko, ary izay no mety ho nandraisany ny lokon'ny mpitondra fanjakana, fa tokony ho roa ny solontena malagasy (tompondaka sy fiadana ny amboara) fa tonga dia tsy nandray anjara ny ADEMA satria tsy manambola ho enti-miatrika izany lalao iraisampirenena izany. Ity ekipan'i CFFA ity kosa indray nahazo fanohanana avy amin'ny mpitondra fanjakana fa... "mbola latsaka be ny haavom-pahaizan'ny ekipa" ka aleo milamina tsy manafika any Angola intsony. Be no mihevitra fa potika hatrany izay lalovan'ny politika ary tsy afa-miala amin'izany ny CFFA. Lesona ity sy ho fampahatsiahivana fa nisy izany toe-javatra izany.

Ny zavamisy dia mbola tsy afaka mihitsy ny baolina fandaka eto Madagasikara (tsy miresaka Barea aho eto) noho ny tsi-fetezan'ny rafitra fampidiram-bola ao aminy ka mampiankina azy amin'ny politika toy izao mitranga izao. Tsy mametraka mangarahara ny fivarotana tapakila sy ny vola azy avy amin'izany ary manjaka amin'ny sehatra iva loatra ny vola. Tsy tafiditra anaty rafitra ny baolim-pokontany izay mahazo olona sady maimaim-poana ny fijerena izany lalao izany. Fomba fitantanana tsy ho lasa lavitra mihitsy izany. Raha te-hampandroso ity taranjan'ny baolina fandaka ity dia tsy maintsy mijery ny rafitra fampidiram-bolan'ny ekipa sy ny ligy mbamin'ny federasiona mihitsy hahazaka tena fa raha mbola tsy mihevitra izany dia aza manantena vokatra tsara na hikarakara taniketsa sy katita aza.

Tsy ho mora mihitsy ny handresy an-dRajoelina

2021-10-17 @ 21:31 in Ankapobeny

Manoratra etoana aho, tsy tiako ny hanoratana azy ity any amin'ny tambajotra sosialy fa ny ho tahiry amin'ny zavatra hitranga rahatrizay no antony ametrahana azy eto. Rehefa hisy ny adihevitra dia any no ilazana azy fa raha any amin'ny tambajotra sosialy any ho very anjavony vetivety satria izay manaraka politika ihany no mety hamaky fa ny hafa tsy hiraharaha.

Tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny taona 2018 aho dia gaga mahita ireto olona avy amin'ny fokontany sy kaominina mifanila amin'ny anay. Misesisesy ry zareo manao fôtôkôkia ny kara-panondrony. Dia nisy ny nanontaniana fa tsy namaly mazava fa hoe misy ilaina azy fotsiny. Nisy ihany anefa ny nilaza ny antony ary niangavy mba tsy holazalazaina loatra, na dia mahafantatra aza ilay olona fa mpanohana an-dRavalomanana aho sady misy afisin-dRavalomanana rahateo ny varotro. Misoratra anarana ao amin'ny filohan'ny Mapar ao amin'ny fokotanin-dry zareo ry zareo fa handrotsa-bato ho an-dRajoelina ary dia omena valisoa ihany koa avy eo.

Nandalo tao amiko ihany koa io filohan'ny Mapar io fa ny mba hahazoan'ny fokontaniny tombondahiny no antony voalohany nanentanany ny mponina ao aminy hifidy Rajoelina. Voalohany amin'izany ny fangatahana hanorina tetezana iray tena ilain-dry zareo. Angamba nahare ny fisisihanay nanontany ny antony hanaovana fôtôkôpia no nahatonga azy nandalo. Efa mpanentana hatramin'ny andron-dRatsiraka izany olona izany.

Rehefa nandeha ny fifidianana ary dia nandresy be tao mihitsy Rajoelina, ary raha ny kaominina Ambohimanga Rova nisy azy aza dia tena nitarika lavitra Rajoelina. Azo heverina fa mety hisy fitoviana amin'ilay fokontany nolazaiko ireo fokontany telo hafa mifanila aminay izay avy ao amin'ny kaominina io.

Ny kaominina Anosy Avaratra misy anay izay mifanila aminy anefa dia Ravalomanana ihany no nitarika na dia niha-ety kokoa aza ny elanelam-bato satria ny ilany andrefana amin'ny fokontaninay dia nifanintsana ny isa azon-dRajoelina sy Ravalomanana (mba tsy ilazako hoe saika nitarika ry zareo). Nanana mpanentana na mpitarika olona matanjaka maromaro ry zareo amin'io faritra io. Ny faritra hafa amin'ny fokontany anefa dia mitovy amin'ny salanisam-baton'Antananarivo renivohitra ny salan'isan'ny roa tonta. Raha ireto mpanentana iray fokontany amiko ireto dia heveriko fa tsy hampandalo ao amiko mihitsy ny hanaovana fôtôkôpia tahaka ity amin'ny fokontany nolazaiko ity satria heveriny fa mety ho sahiko ny hamaky bantsila am-bava ny zavatra hitako. Tadidiko tsara fa nisy namboly korontana tao ivelan'ny biraom-pifidianana minitra iray monja talohan'ny fanisam-bato saingy efa voafehin'ny filohan'ny biraom-pifidianana mialoha ny zavatra azo natao sy tsy azo natao mandritra ny fanisam-bato ka dia tsy nisy ny fikorontanana tanaty birao na dia nifanaritaka aza ny tao ivelany tao.

Fa inona moa no antony nanoratako izany zavatra lava dia lava izany?

Amin'izao fotoana izao dia nahazo tosika fameno dimy alina ariary (50.000Ar) mandritra ny dimy volana avokoa tsy nisy adino ireo olona nandefa ny fôtôkôpian'ny karapanondrony tao amin'ilay fokontany notantaraiko. Dia nolazain'ilay nitantara ihany koa fa tsy misy misitraka na iray aza ny avy amin'ny fokontany misy anay satria Ravalomanana no nandresy taty aminay. Izany hoe raha toa ka nisy (tsy fantatro na nisy na tsy nisy) ny fomba fiasa mitovy tamin'ny nataon'ity fokontany ity tamin'ny fokontany nisy anay dia tsy mahazo na inona na inona ry zareo satria resy teto amin'ny fokontany misy anay (tsy hay ihany koa ny kaominina!) ry zareo.

Dia lasa ny saiko, ary raha toy izany avokoa moa amin'ireo faritra sy fokontany rehetra eto Madagasikara ny zavatra mitranga dia ahoana? Voararan'ny lalàna ve ny zavatra toa izany? Efa tsinjon'ny lalàna ve izany? Mariho mazava tsara fa tsy sisi-bola any ambadika no nanomezana vola ireo olona ireo fa ambara tsara hoe "tosika fameno" avy amin'ny fanjakana.

Ka raha izany no zavamisy sy tsikaritra dia hohelohina ve ireo nahazo tosika fameno ireo raha mbola handrotsa-bato ho an-dRajoelina amin'ny fifidianana ho avy? Nahazo vola avy amin'ny fanjakana ry zareo fa tsy hoe avy amin'ny Mapar, nahazo mivantana izy fa tsy hoe tombontsoa iraisan'ny besinimaro. Ho mora ve ny handresy lahatra olona nisitraka zavatra toy izao manerana an'i Madagasikara? Mazava amin'izao fa misy antony tsara matoa dradradradraina ho toy ny asa goavana ny fitokanana lalana iray tsy ampy roa kilaometatra vita tsara mba entina ilazana fa nahavita be teto amin'ny firenena izy ary nisy niditra ihany koa tany am-bilany.

Asa raha takatrareo ny tiako lazaina fa efa mipetrapetraka tsara ny lamina hampandresy azy indray amin'ny fifidianana manaraka fa anjaran'ny tsirairay ny mihevitra sy mikaroka fomba fampandresena hafa mifaninana amin'izany sady mahatonga ahy hanao ilay lohateny hoe: "tsy ho mora mihitsy ny handresy an-dRajoelina"

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Oktobra 2021 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
31            
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox