Mamonjy amin'ny Fahafatesana ny Tompo!

2014-04-06 @ 18:50 in Finoana

Mamonjy amin'ny fahafatesana ny Tompo, izany indray no lohahevitry ny FJKM mandritra ny volana Avrily. Ampifanandrifiana amin'ny Paska izany lohahevitra hotsakotsakoan'ny mpino izany. Ny fahafatesana hamonjena antsika voalohany dia ny fahafatesana ara-panahy.

Ny tsikaritro voalohany tamin'ny namaky ny Ezekiela 18: 23 - 32 dia toy ny hoe solosaina izany ny olona. Toy ny hoe raha nandeha tsara ilay solosaina no tafiditry ny viriosy ka lasa manondrana hatrany noho ny nataon'ilay viriosy dia ratsy izay ilay solosaina. Raha solosaina nanondrana hatrany indray no lasa mandeha tsara tsy misy tomika tamin'ny farany dia lasa tsy tsaroana intsony ny olana taminy teo aloha.

Solosaina no endrika nanoratako azy fa raisina amin'ny mahaolombelona kosa? Tamin'ny taona faha-10 tany an-tsekoly, ny finoana Ejipsiana fahagola dia hoe raha maty ny olona dia lanjaina ny soa nataony ataha amin'ny ratsy nataony. Raha ny soa no betsaka kokoa noho ny ratsy nataony dia mankany amin'ny paradisa izy. Fa raha ny ratsy kosa no betsaka nataony noho ny soa dia lasa any amin'ny fikitroha-nify izy.

Tsy toy izany kosa ny nambaran'i Ezekiela momba ny fijerin'Andriamanitra, raha ny voasoratra eto fa na dia fotoana lava aza ilay olona nanao ny tsara tamin'ny voalohany fa nivadika ôrera kosa izy tamin'ny fotoana farany no maty dia ny ratsy nataony tamin'ny farany no itsarana azy. Dia mifanandrify amin'izany indray, raha nanohitra an'Andriamanitra hatrany ilay olona nandritra ny fotoana lava no niova kosa izy tamin'ny farany ka tsy namerina ny ditra nataony intsony dia, araka ny efa voasoratra momba ilay solosaina teo ihany, tsy tsaroana intsony ny olana teo aminy teo aloha. Rariny sa tsy rariny izany fijerin'Andriamanitra izany?

Raha mbola ilay voalazan'i Ezekiela ihany no itodihana dia mifanohitra amin'ny lojikan'ny olombelona mpiara-belona taminy tamin'izany fotoana izany, ary mety mbola ho lojikantsika amin'izao fotoana izao ihany koa, ny fomba fijerin'Andriamanitra. Lasa tokoa ny saina manao hoe fa maninona i ranona efa nanao ny tsy mety nandritra ny fotoana maharitra indray no "avotan'Andriamanitra" rehefa niala tamin'ny ratsy fanaony izy tamin'ny farany fa nahoana indray no ilay nanao zava-tsoa sy ny marina teo anoloan'Andriamanitra nandritra ny fotoana maharitra no "mba nibolila kely fotsiny" tamin'ny farany no voalaza fa matin'ny fahotany?

Saingy izao, izay no maha-Andriamanitra fitiavana azy. Mbola misy ny fanavotana ho ahy, ho anao, ho antsika na dia difotra tao anatin'ny fahotana aza isika no miova lalana hanaraka ny lalan'Andriamanitra, manaiky ny hotarihan'ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fanavotana nataon'i Kristy Jesoa ka ahafahana manova ny lalam-pisainantsika ho marina eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona. Fa Andriamanitra tokoa ninia tsy nijery ny andron'ny tsy fahalalàna; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka (Asan'ny Apostoly 17: 30)

Sarotra be ve ilay hiova lalana? Indro Jesoa sy ny zava-nataony mampahery fa na dia toa tsy ho vitan'olombelona aza dia vitan'Andriamanitra kosa. Vakinteny faharoa tamin'ity alahady ity tao amin'ny sahan'ny FJKM ny Marka 5 : 35 - 43. Tantaran'ilay zanaky ny mpanapaka ny sinagoga iray izay maty raha mbola naka an'i Jesoa ny rainy. Misy ny olona miteny hoe "Efa tsy avotra intsony fa aza manahirana olona!" Tsy noraharahian'i Jesoa ilay teny fa niteny tamin'ilay mpanapaka ny sinagoga izy hoe :"Aza matahotra, minoa fotsiny ihany!" Finoan'ny rainy no nanatanterahana ny famonjena na dia miteraka fihomehezana ho an'ny olona aza ny tenin'i Jesoa. Nitsangana razazavavy rehefa nibaiko i Jesoa, "ary niaraka tamin'izay dia talanjona indrindra ny olona",nivanàka nahita ny zavatra tontosa amin'ny famonjen'Andriamanitra. Tsy mijanona hatreo ny asa rehefa vita ny "fahagagana" fa omena hanina ivelomany izay "tsy avotra intsony nefa tafatsagana velona indray". Hamaranana dia mba isika tsirairay no hitsakotsako ny voasoratra ao amin'ny Romana 6 : 1 - 7 ny amin'izay toe-piainantsika rehefa navotan'Andriamanitra isika.

Tsy toriteny tany am-piangonana io fa nosotarako tetoana fotsiny ihany. Ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra!


Jentilisa, 6 avrily 2014

Izaho sy ny moto eto amin'ny tanàna

2014-04-04 @ 06:22 in Ankapobeny

Noho ny fahateren'ny lalana eto amin'ny tanàna sy ny haratsiany manampy trotraka izany rahateo dia lasa fitaovana fifamoivoizana ahafahana mitsofotsofoka indrindra ny moto, ary manana ny lazany amin'izany ny scooter. Mora ny scooter ary azo asisika amin'ny lalana maro dia maro, eny fa na dia anelanelan'ny fiara roa heverinao tsy hahatafiditra azy mihitsy aza. Indraindray aho dia miaiky mihitsy hoe henjana ry zalahy scooter ireo raha hanao mazia fa mahatafiditra azy daholo na aiza na aiza. Mahay misompirana tsy ankihetsika ve ry zalahy sa ahoana? Nefa mety ho izaho koa no tsy sahy manao ny ataony ka ny hafa no heverina ho manao mazia. Tsy dia hiresaka scooter loatra aho noho ny antony manokana izay ho fantatrao ihany rehefa manohy ny vakinteny ianao, fa ireo moto misy vitesy no resahiko, sady tsy mbola nitondra scooter mihitsy ihany kosa aho fa efa nentina taminy indray. Maro no efa tafaresaka tamiko fa na dia mora aza ny scooter, ary ahafahana mitsofoka na aiza na aiza, dia mihinana ihany ny lasantsin-dry zalahy ireny ary arakaraka ny andehanana mafy no andaniany angovo. Fa tsy tahaka izany kosa ny moto misy vitesy, arakaraka ny andehanany mafy no mampitsitsy azy, hoy ireo zatra ireo karazana moto ireo.



Noho ny asa dia voatery mampiasa ity karazana fitaovana ifamoivoizana misy vitesy ity ny tena. Niainga tamin'ny Yamaha AG100, io karazana moto io no nianarana voalohany sy nentina voalohany. Somary avoavo fa tena tsy mataho-dalana, tsy matahotra halavirana, ary tsy mifidy toerana ihany koa. Ny ankamaroan'ireo orinasa sy sampan-draharaham-panjakana vahiny teto Madagasikara mpivezivezy mankany ambanivohitra sy ambany ravinkazo tamin'izany fotoana izany dia saiky nividy ity fitaovana ity avokoa. Hitanareo ihany moa fa misy lamaodiny ihany itony fitaovana itony. Marika Japoney, izay miavaka indrindra amin'ity resaka kodiaran-droa ity, ary sangany eo amin'ny sehatra manerantany, nanjary nankafy nitondra moto aho izay matahotra dia matahotra tamin'ny voalohany satria malaza moa ny fitenenana hoe "carrosserie tena". Tsy nitondra moto afa-tsy io aho tamin'izany fotoana izany. Nataon'ny orinasa lavanty (valopy mihidy) ho an'ny mpiasa tao aminy ireo moto rehefa niasa efa ho 15 taona. Nifandrombahan'ny maro izy tamin'izany fotoana izany, nifampiresadresaka teny sy nifanontanintany izay vidiny zakany. Tsy maintsy nifamitapitaka teny ny rehetra, mba hahazoana iray, na teo amin'ny vidiny na teo amin'ny kalitaony. Voafandrika ny tena ka tsy nahasahy avo. Rehefa nivoaka ny vokatra dia maty ampahatelon'ny nahazo azy ny tolotra nataoko, hahazoana ilay iray fitondrako. Tsy nahazo aho izany na dia iray aza.


Nividy karazany hafa indray ny orinasa hanoloana ireo namidy sy nahavita ny adidiny tamin'ny desambra 2010. Novidiana indray ny Yamaha Crux, izay mitsitsy lasantsy kokoa sy natao ho an'ny lalana an-drenivohitra. Somary ivaiva noho ny kodiaran-droa nentina teo aloha, toa maka ny endriky ny moto tranainy izany, araka ny tsilian-tsofin'ireo mpitondra tamin'ny taompolo 1960, 1970 na 1980 tany ho any. Maneno mora fa tsy nitrenatrena toy ny teo aloha. Raha mihaino tsara ianao dia toy ny fanenon'ny fiara citroën izany ny feony. Kodiaran-droa tsy mataho-dalana izany no nosoloina kodiaran-droa ho an'ny tanandehibe. Nojerena ka hita hoe tany India no nanamboarana azy, nihevitra avy hatrany hoe "sous licence" izany ity moto ity ka tsy haharitra ela raha izao fandehany izao. Rehefa nokarohina anefa ny tahirinkevitra an-tserasera dia tena vokarin'ny Yamaha mihitsy io karazana moto io fa nanangana orinasa tany India ry zareo ary mamokatra sy mivarotra ny vokatra avy ao ho an'i India sy ny firenena manodidina azy. Firenena misy mponina hatramin'ny iray miliara kosa ve, izany hoe tsena goavana ho an'izay mahazo  azy, koa tsy mahagaga raha manangana sampana any sy mitady ny vokatra sahaza ireo olona ao aminy ireo orinasa goavana mitady lalam-barotra goavana.



Na izany aza dia mampatahotra ihany ity kodiaran-droa ity rehefa mandeha ambony lalantany misy fasika ka manindry ny hisatra aoriana fotsiny tampoka fa mampandihy vody mety hampianjera mihitsy izy raha tsy mitandrina, tsara kokoa raha tonga dia ny hisatra roa aloha sy aoriana avy hatrany no miara-tsindriana . Lesoka faharoa ananany ihany koa fahafatesan'ny fandrefesana lalana vita (kilometrage-mileage) ao aminy, maro an'isa kokoa ny moto maty fandrefesan-dalana vita noho ireo tsy manana izany olana izany tao amin'ny orinasa. Tsy lefitry ny lehibe mpanara-maso ny fandanian-dasantsy sy ny lalana naleha-vita izany toe-javatra izany ka efa nieritreritra ny hivarotra izany avy hatrany indray izy. Tsy tontosa izany famarotana ho an'ny mpiasa ho an'izay mahasahy lafo indrindra izany (valopy mihidy) raha tsy tamin'ny volana marsa teo. Nieritreritra avy hatrany tany anatiko tany aho fa tsy hanaiky ho voafitaka intsony fa izay vidiny eritreretiko sy izay sanda mety ho sahin'ny mahavidy azy lafo indrindra no tao an-tsaiko, tsy maintsy mba mahazo iray kosa aho, hoy aho anankampo. Nifanandrify indrindra tamin'ny tsingerintaona nahaterahako ny namoahana ny vokatra ary roa avy hatrany no azoko, ny iray fitondrako ary ny iray hafa izay anisan'ny nanaovako fiandry raha sanatria tsy azoko ilay fitondrako. Mazava loatra fa be loatra izany moto roa izany ka tsy maintsy amidiko ny iray. Tsy ho ilay mahazatra ahy velively no amidiko fa ilay iray natao fiandry ka azo. Io moto amidy io indray mba velona tsara ny fandrefesana ny lalana vita fa ilay tazoniko moa no maty fandrefesana lalam-bita voalohany indrindra tao amin'ny orinasa.

Tsy ity ilay moto amidiko aloha an!



Niova marika indray ny orinasa saingy mbola marika japoney ihany no nidirany. Nividy Honda Ace hampandehanana ny asa indray. Efa io indray koa moa no lamaody ary azo lazaina fa namelona ny tsenan'ny Honda izay saiky tsy nisy intsony teto Madagasikara. Ny sampana mpanome laharam-piara sy moto misy motera eto Antananarivo moa dia nanambara fa ny marika honda indray no tena be mpividy indrindra amin'izao fotoana izao raha ny moto no resahina. Raha mbola jerena ihany koa ny tahirinkevitra an-tserasera dia natao hoan'ny tsena Afrikanina ity moto honda ace ity ary avy ao Nigeria no mamokatra sy manaparitaka azy. Toy ny lazaiko teo aloha ihany ny "Honda Ace": tsy hoe "sous licence" izy ka orinasa hafa no mamokatra azy fa omen'ny orinasa Honda alalana hamokatra izy fa ny Honda mihitsy no nanorina asa tao Nigeria, firenena be mponina indrindra eto Afrika, ary natao hifanaraka amin'ny tsena Afrikana sy atao izay takatry ny toe-bola Afrikanina amin'ny ankapobeny ny vidiny. Efa tsy any amin'ny hoe vita avy any Eoropa na avy any Japana intsony ny eritreritry ny maro rehefa hividy vokatra tahaka itony fa ny marika sy ny fahafaha-mividy no jereny. Raha efa nanamory ny Honda Ace ny tena tao anatin'izay fotoana vitsy dia vitsy izay dia mora faneno izy, ary mitsitsy lasantsy, mora miakatra ny hafainganam-pandehany raha oharina tamin'ireo izay efa nentiko, ary toy ny maivana dia maivana izany izy rehefa entina, hatreto dia tsara ilay moto... saingy ireo zavatra lazaiko rehetra ireo dia tsy avy amin'ny manampahaizana momba ny moto velively fa ny mitondra ihany no haiko, ny ankoatra izay aza anontaniana ahy fa tsy ho haiko velively ny mamaly azy. Ny tsikaritro fotsiny dia mila ho lasa avo roa heny amin'ny vidiny avy any an-kafa any ny vidin'ireo moto ireo rehefa tonga eto amin'ny tanàna ka tsy hay intsony na ny fanjakana no maka be loatra amin'ny alalan'ny hetra na ny mpivarotra mihitsy no maka tombony be.


Jentilisa, 04-04-2014 na 04 avrily 2014

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aprily 2014 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox