Lalàna nolanian'iza? Nampiana fanitsiana avy amin'ny MSK

2021-10-22 @ 20:45 in Kolontsaina

Hagagàna ny ahy raha nahita ireto mpanao gazety tezitezitra androany tao amin'ny tambajotran-tserasera tao. Hay misy ity tenimita avy amin'ny minisitry ny serasera ity mametraka fa tsy maintsy maka alalana any aminy raha hanao sarimihetsika na hanao fanadihadiana (reportage). Voasembatsembana tanteraka ny asan'ny mpanao gazety. Ny sarimihetsika ihany koa tsy mahazo manao dika na fijery mampihomehy amin'izay ataon'ny politisiana raha ny fandinihana azy. Na dia ny "documentaire" aza moa dia tsy maintsy akana alalana.


Iza no namolavola ny lalàna ary iza no nandany azy? Inona no tanjona amin'ny fametrahana lalàna tahaka itony? Angamba efa hoavy tsy ho ela ny fangatahana alalana rehefa hamoaka vaovao. Mariho tsara ireo fotoana ireo fa tsy nisy tamin'ny fotoana nitondran'ny mpanao didy jadona Ravalomanana Marc na dia ny iray aza.

[Fanampiny] Ilay lahatsoratra teo aloha no nantenaina hisy fanitsiana, kanjo ity iray ity no nivoaka, ampitson'ny nanehoana ny taratasy voalohany imasom-bahoaka.

Ny tsikaritra dia tsy avy amin'ny minisitra ny sonia na dia nolazaina ho amin'ny anaran'ny minisitera aza.

 

Soso-kevitra teny malagasy: ankihy na an-kihy

2021-06-04 @ 21:46 in Kolontsaina

Andao atao hoe ankihy valo ny eight digits na huit caracteres

Ao anatin'ny iray volan'ny teny malagasy isika amin'izao fotoana izao. Tsy famoronana fa fanitsiana na fanavaozana araka izay mahamety anareo.


Ny hihy dia ilay faritra na nofo mafy-malemy mihazona ny nify. Ao aminy no milentika ny fakan'ny nify ary tsy tokony hisy nify hitsiry ivelan'ny hihy.


Etsy ankilany indray, indraindray isika rehefa manisa amin'ny teny malagasy dia manao hoe ankiray na anakiray na anankiray, anankiroa na anakiroa na ankiroa sns. Tsy tena mpandalina aho fa ny mety ho mahatonga izany dia na avy amin'ny teny malay aostroneziana hoe anak [zanaka] na izay apetrako eto hoe ankihy iray sy ankihy roa sns.


Raha tokony ho adika ny teny frantsay hoe "onglet" dia ahitantsika ny teny hoe "ongle" midika hoe hoho amin'ny tanana na/sy amin'ny tongotra. Hijery isika hoe mifankaiza ny hoho sy ny hihy? Ny aiza no mety kokoa amin'ny sehatra mbola lazaintsika hoe nomerika?


Ny numerique indray no nandikan'ny frantsay ny digital niainga avy amin'ny voambolana hoe digit izay mbola mety miainga amin'ny rantsam-batana (doigt) raha jereko maimaika fotsiny amin'izao. Raha folo ny rantsan-tanana dia sampona ny mihoatra na latsak'izay. Raha 32 kosa ny isan'ny nify dia tsy sampona raha latsak'izay ny nify mirafitra eo... fa mihamitombo tsikelikely ny isan'ny nify mitsiry amin'ny olombelona.


Tsy fantatro aloha na ampy izay fanazavana izay na azonareo ny tiako lazaina fa manentana ny rehetra aho hampiasa ny teny hoe ankihy 120 raha te-hanonona ny hoe 120 caracteres na 120 digits. Manentana ny rehetra koa miaraka amin'izany hametraka teny mifanandrify amin'ny hoe "digital" ho miankihy; ohatra fankatsary nomerika hatao hoe fankatsary miankihy, fitaovana nomerika na dizitaly ho fitaovana miankihy. Fehiny, fanafinaretana ry zareo ilay mankamamy teny malagasy a!
 

Tafintohina ianareo!

2017-06-19 @ 21:26 in Kolontsaina

Tsy dia maharaka ny revin'ny tanora intsony angamba aho, na tsy te-hahalala tsotra izao. Malaza ary ireo ny lahatsarin-kiran'i Gangtabab sy ny an'i Arnaah. Samy mpihira lazaina ho tanora avokoa ry zareo ireo. Ny iray aza moa dia efa nitarika ny antoko politika madio, ary manana pejy Facebook amin'izany mihitsy.

 

Tsorina fa tsy nahalala ny fisian'ireo aho raha tsy noho ny fahatafintohinana hita ao amin'ny media sosialy, fahatafintohinana avy amin'ny ray aman-dreny indrindra indrindra. Fa inona no tena mahatafintohina?
Tafintohina ianareo fa lasa mifaninana amin'izao tontolo izao ny Malagasy eo amin'ny sehatry ny hira-dihy feno fihantsiana. Tsy manaiky gisitra mihitsy amin'io taranja fampandihizam-pitombenana io isika Malagasy, miseho ho menatra nefa manana ilay talenta.


Tafintohina ianareo fa lasa "plage" ho an'ny ankizy sy ny artista ny toerana rehetra fa tsy voafetran'ny tora-pasika intsony. Tsy mifanandrify amin'ny toetr'andro eto afovoan-tany ilay fitafy amin'ny kilaoty tena fohy na/sy silipo tsy misy amboniny. Tafintohina ianareo mandre ireo ankizy tsy mbola maoty akory manao firesaky ny tanoravavy miady... lehilahy.
Tafintohina ianareo fa ny iray amin'ny hira dia amin'ny feonkira tena malagasy. Tena malagasy ilay feon-kira, raha mbola tianareo iadian-kevitra ny tonony izay amin'ny teny malagasy ihany koa. Tafintohina ianareo fa hay azo ampivadiana tsara ny feonkira nentim-paharazana malagasy sy ny fandrosoana na fibolisarana hita amin'ireo fantsona fahitalavitra vahiny sy ihazakazahan'ny fantsona fahitalavitra malagasy aseho ny tanora ihany koa. 


Tafintohina ianareo fa noho ny fitadiavan-daza dia hay misy Malagasy mahavita ireo fihetsika anaovana tsy ankiteniteny ireo. Hay misy mahavita mitanjaka eny ankalamanjana. Fa hevero kely anie fa raha tsy malagasy izao no hita mandihy sy mitanjaka toa tsy mampaninona antsika akory ny mijery azy, mety ho faly sy mihorakoraka ery ianareo. Tsy resy lahatra anefa aho hoe tena tsy ankafizinareo mihitsy ny mijery zavatra tahaka ireny na tsy Malagasy aza ny manao azy. Raha ny tany amin'ny roapolo taona lasa tany dia ekeko fa be no tsy mahazaka, fa raha ny amin'izao fotoana izao kosa tonga dia voateny hoe tery saina na efa antitra raha milaza tena ho tsy mankasitraka mijery azy ireny.


Tafintohina ianareo fa mampihatra sy manararaotra ny fahalalahana ry zareo, fa raha tsy misy ny mibolisatra dia hay fantatra ihany fa ilaina hatrany ny fifehezana, ary fifehezana henjana mihitsy aza, na dia lazainareo ho didi-jadona aza izany fifehezana izany... 


Taratry ny fikoroso-fahan'ny fiaraha-monina sy ny fitaizana eto Madagasikara ihany anefa no asehon'ireo artista ireo, nefa vao maika ho tafintohina ianareo raha ilazako hoe izany no izy rehefa mandray ny teny vahiny ho teny ampianarana ny zanatsika. Fa maninona no mitetateta hampianatra ny zanakareo amin'ny teny vahiny raha tsy manaiky mialoha avy hatrany ny kolontsain-dry zareo e? Rehefa misafidy hianatra amin'ny fiteniny dia tokony hizaka izay safidy izay amin'ny fanekena ny kolontsainy sy ny fomba fisainany ihany koa. Miala tsiny raha mahatafintohina anareo io teniko farany io sy ny famoahako ireo lahatsarin-kira roa mahatafintohina anareo ireo.

DES DÉCLARATIONS AVANT CELLE D'ANTANANARIVO

2016-11-17 @ 23:34 in Kolontsaina

Des déclarations tirées du site de la Francophonie - Le Sommet 


DÉCLARATION DE BUCAREST (2006)


8 - Persuadés que l’éducation est tout d’abord la transmission d’un savoir du maître à l’élève et l’acquisition de compétences, et convaincus que le développement de l’enseignement dans nos pays passe par l’engagement et la formation des femmes et des hommes qui se consacrent à cette noble mission ;


20 - Développer le partenariat entre États et gouvernements francophones pour garantir à toutes les filles et à tous les garçons une scolarité primaire, complète gratuite et obligatoire. À cette fin et dans le cadre de l’initiative « Éducation pour tous », nous appuierons les États qui choisissent d’investir dans les ressources humaines et qui consacrent une part adéquate de leur budget national à l’éducation. Avec les opérateurs, nous les aiderons à élaborer de solides plans nationaux d’éducation, à poursuivre des stratégies d’éducation durables et à trouver les ressources extérieures nécessaires pour atteindre ces objectifs du millénaire ;


Dans l’esprit de la réforme adoptée à Antananarivo, nous appelons l’OIF, les opérateurs et tous les acteurs de la Francophonie à relever ensemble les défis de l’éducation, notamment à l’aide des technologies de l’information et de la communication :


32 - Nous appelons l’OIF à encourager et à soutenir les efforts des gouvernements en vue d’élaborer des politiques linguistiques qui permettront de donner aux langues nationales une place significative dans les premières années de scolarisation ainsi que dans les activités de formation des adultes, tout en réaffirmant notre volonté de renforcer, avec le soutien de l’OIF, la présence du français dans les systèmes éducatifs de notre espace francophone ;


34 - L’OIF, l’AUF et TV5Monde, dans le respect des droits d’auteur, se mobiliseront pour élargir la base de contenus éducatifs gratuits consultables sur Internet, et en faciliter l’accès et l’utilisation pédagogique, notamment par l’élaboration de guides pour les enseignants, en tenant compte des aspects éthiques de l’usage de l’Internet, s’agissant notamment de la protection des enfants ;


38 - Décidés à aider TV5Monde à renforcer pleinement le rôle éducationnel qu’elle assume, nous veillerons, à cet effet, à faciliter l’accès à la chaîne sur les réseaux hertziens dans les pays du Sud qui le souhaitent et à encourager l’intégration, le cas échéant par la voie législative, de la diffusion de TV5, en sa qualité de vitrine de la diversité culturelle, aux côtés de celle de nos chaînes nationales, dans les offres des diffuseurs locaux par câble, par satellite et autres ;


48 - Nous réaffirmons le droit à l’autodétermination des peuples sous occupation étrangère et demandons aux puissances occupantes de se conformer au droit international, et de respecter dans les faits le droit international humanitaire, notamment la 4e Convention de Genève de 1949 ;


55 - Nous approuvons la décision prise par la Conférence ministérielle d’Antananarivo (2005) sur l’engagement de nos pays dans les opérations de maintien de la paix. Nous nous félicitons des initiatives prises par la Francophonie en faveur d’une présence renforcée de nos pays dans ces opérations ;



DÉCLARATION DE QUÉBEC (2008)


3 - Déterminés à accorder à la langue française toutes les conditions requises pour lui garantir sa pleine reconnaissance sur la scène internationale comme au sein de chacun de nos pays ;


7 - Rappelant que la langue française constitue l’un des éléments fondateurs de la Charte de la francophonie et que le Cadre stratégique décennal en fait l’une des missions prioritaires de l’action francophone ;


Nous nous engageons à :


10 - Renforcer la place de la langue française dans nos systèmes éducatifs tout en développant un enseignement public et privé de qualité et en tenant compte de la répartition des compétences au sein des États dans ce domaine ;


12  - Veiller à faciliter la diffusion et l’accessibilité de TV5 Monde, aux côtés de nos chaînes publiques et privées, en prenant les dispositions appropriées. Par là même, nous réaffirmons notre attachement à la chaîne multilatérale francophone, à son rôle essentiel pour le rayonnement international etl’apprentissage du français, et comme illustration de la diversité culturelle ;


13 - Prendre des mesures adaptées à nos moyens respectifs, pour valoriser le statut et l’usage de la langue française, langue vivante et utile, dans les domaines économique, social, culturel, touristique et scientifique de nos sociétés ;


Nous demandons à l’OIF et aux opérateurs :


15 - D’accroître leurs ressources humaines et financières consacrées à la langue française et de mener des actions énergiques en vue de mettre en oeuvre la résolution jointe à la présente déclaration.

 


DÉCLARATION DE MONTREUX (2010) [DEVRAIT SE DEROULER A ANTANANARIVO]


45 - Nous réaffirmons notre attachement à la chaîne multilatérale francophone TV5, à son rôle essentiel pour l’apprentissage et le rayonnement international du français. À cet effet, nous entendons faciliter la diffusion et l’accessibilité de TV5, vecteur de la diversité culturelle.

 


DÉCLARATION DE KINSHASA (2012)


3 - Nous réaffirmons la spécificité de la Francophonie, fondée sur la langue française et les valeurs qu’elle promeut : la diversité culturelle, le multilinguisme, la paix, la démocratie, l’État de droit, les droits de l’Homme, l’égalité entre les hommes et les femmes, le développement durable, l’éducation et la solidarité.


34 - Nous réaffirmons l’importance du développement de la Justice pénale internationale et de son rôle dans la protection des droits de l’Homme, le rétablissement de l’État de droit et la lutte contre l’impunité. À cet égard, nous saluons la signature de l’accord de partenariat entre l’OIF et la CPI. Nous appuyons également les efforts engagés par l’OIF pour définir une position francophone en matière de justice, vérité et réconciliation pour soutenir les États francophones en crise et en transition.


41 - Nous engageons les groupes d’ambassadeurs francophones à promouvoir l’usage et le développement du français dans les organisations internationales et régionales auprès desquelles ils sont accrédités. Nous appuyons les actions mises en place par l’OIF avec les États et gouvernements concernés pour former au et en français les diplomates et fonctionnaires qui n’ont pas la langue française comme langue officielle. Nous réitérons la pertinence du Vade-mecum relatif à l’usage de la langue française dans les organisations internationales et veillerons à sa diffusion et à son application effective.


44 - Nous saluons la création du Réseau des associations professionnelles francophones (RAPF) qui vise à promouvoir le français comme langue technique, scientifique et économique dans les contextes professionnels.


47 - Nous réaffirmons notre attachement à la chaîne multilatérale TV5, opérateur de la Francophonie, vecteur essentiel pour l’apprentissage et le rayonnement international de la langue française, vitrine de la diversité culturelle. Nous entendons en favoriser la diffusion et nous efforcerons d’en faciliter la présence sur nos principaux supports de distribution, notamment sur la télévision numérique terrestre (TNT), en garantissant son accessibilité par les dispositions appropriées.

 


DÉCLARATION DE DAKAR (2914)


6 - Réitérons notre engagement au renforcement de l’usage de la langue française, véhicule des valeurs portées par la Francophonie, au moyen d’actions renforcées en faveur de sa présence et de sa consolidation sur la scène internationale, notamment par l’application du vade-mecum adopté au Sommet de Bucarest, et dans le respect du multilinguisme. À cet égard, reconnaissons que l’éducation doit rester au coeur de la politique intégrée de promotion de la langue française adoptée au Sommet de Kinshasa et des pactes linguistiques. Demandons à l’Organisation internationale de la Francophonie (OIF) et aux opérateurs de veiller à la réalisation de ces politiques, en application du Cadre stratégique de la Francophonie 2015-2022, adopté par ce Sommet ;


10 - Nous engageons à renforcer notre participation dans les opérations de maintien de la paix, en particulier dans l’espace francophone, à travers une mobilisation accrue de personnels et la promotion de francophones, y compris de femmes, aux postes de commandement. Appelons à une large mobilisation internationale pour accroître la prévisibilité du financement des opérations de paix, notamment africaines ;


28 - Soulignons le rôle important que doit jouer le secteur privé dans la mise en oeuvre de la Stratégie économique pour la Francophonie, notamment dans ses aspects de promotion du français comme langue de travail et vecteur de croissance économique. Demandons à l’OIF et aux opérateurs de se mobiliser, aux côtés des États et gouvernements, pour la promotion de cette stratégie auprès du secteur privé et de la société civile afin de contribuer à son appropriation et à sa mise en oeuvre. Soulignons la nécessité d’instaurer des conditions favorables à l’investissement ;

Fanabeazana fototry ny firenena: Ny ohatra frantsay!

2016-09-09 @ 18:34 in Kolontsaina

Indray mandeha, rehefa namakivaky soratra teny ho eny, tsipalotra tamin'ny hevitr'olona iray fa ny lisea (frantsay) no fototry ny fijoroana maha-firenena azy. vantany vao namaky izay soratra sy fanehoan-kevitra izay aho dia nilaza tao an-tsaiko tao hoe: "akaitò fa tena mitovy hevitra aminy aho". Ny tanora no hoavin'ny firenena ary ny fanefena ny tanora no fananganana ny hoavin'ny firenena. Ny toerana mora hita indrindra amin'izany fanefena ny tanora sy fampijoroana hatrany ny firenena izany anefa dia tsy aiza fa any an-tsekoly indrindra. Mora miray ny firenena rehefa politika fampianarana sy fanabeazana maharitra iray maharaka andro no ampiharina amin'ny sekoly rehetra ao amin'io firenena io.


Manao ahoana tokoa moa izany firenena frantsay izany? Na dia samihafa fiaviana aza ny olona ao aminy, misy ny teratany tao, misy ny taranaka mpiavy faharoa na fahatelo na mihoatra, misy ny avy amin'ny zaratany frantsay hafa mba tsy ilazana hoe mbola zanatany frantsay, misy ireo mpitsoa-ponenana avy amin'ny kaontinanta hafa sady tsy nozanahan'ny frantsay fa ireo rehetra ireo no mandrafitra ny maha firenena frantsay azy. 


Firenena lahika anefa ny firenena frantsay, ka tsy ho ny fivavahana na finoana velively no hampiray azy ara-kolontsaina fa avy amin'ny fampianarana ny ankizy sy ny tanora. Na manana ny lohany sy ny eritreriny aza ireo mpitsoa-ponenana maro dia maro miditra ao aminy, na manana ny fivavahany sy ny kolontsaina tiany mbola hotohizana any amin'ny firenena vaovao onenany aza ireo ray aman-dreny ireo, rehefa mianatra any an-tsekoly ny zanany, dia mahazo antoka ny mpitondra frantsay fa hanana ilay kolontsaina sy fomba fisainana frantsay koa ireo zanaka mpiavy ireo. 


Nanana ny fahombiazany ilay rafi-pampianarana tany amin'ny faramparan'ny taonjato faha-20 tany ho any, rehefa tafiditra tsara tao an-tsain'ireo zanaka ireo fa tena Frantsay tanteraka ry zareo na dia tsy teratany tao aza ny razambeny. Tsy vao tamin'izao fotoana izao ihany no nalaza izany fampihorohoroana izany fa efa nisy koa tamin'ny fotoana nandresen'ny FIS (Front Islamique du Salut) tany Alzeria kanefa naongan'ny miaramila tao sy noravany tanteraka ilay antoko matanjaka. Tsy mora anefa ny famoretana ilay antoko natanjaka vao nahazo fahefana, fa nanana rantsana hatrany Frantsa. Nisy fanapoahana baomba tao Frantsa saingy tankina tanteraka izany avy eo satria nanana fahatsapan-tena ho Frantsay kokoa ireo tanora nifanakaiky tamin'ilay vondrona lasa mampihorohoro ary firenena efa anankinany ny hoaviny rahateo.


Mandraka ankehitriny rehefa ny mpianatra no nianatra amin'ny lisea frantsay, dia manana ny fahatsapana maha-frantsay azy, na farafaharatsiny akaikin'ny fony ny kolontsaina frantsay, akaikin'ny fony kokoa i Frantsa na dia azo heverina ho tsy manadino ny tanindrazany aza izy. Matetika anefa ny olona mivoaka avy amin'ireny lasitra ireny ihany no lasa sangany ao amin'ilay firenena, na mahazo ny toerana ambony, mpanapaka ara-politika ao amin'ny firenena niaviany, ka tsiverimandeha izy na ho any Frantsa na ho ao an-tanindrazany, indrindra fa hoe zanatany frantsay taloha izay firenena niaviany izay. Ny fanontaniana miselontselona ao an-tsaina kosa rehefa mieritreritra izay toe-javatra izay dia hoe politika manao ahoana no ho ampihariny ary fandresen-dahatra avy amin'iza no hanandanja kokoa eo aminy rehefa lasa mpanapaka tokoa izy? Eritreritra fotsiny ihany ireo rehetra ireo fa tsy voatery hoe ireo no marina.    

 

jentilisa 09/09/2016

Tantaran'ny Teny Malagasy: Ireo Andrarezina

2016-08-06 @ 22:54 in Kolontsaina

Mitohy tsy be resaka ny fampitantsika ny fampirantiana nototosaina tao amin'ny Tahala Rarihasina tamin'ny volana jona lasa teo.

Afisy fahaenina. Toa vahiny lehiretsy no lohalaharana nolazainy?

Ka ry zareo kosa no nahafahana nampiditra ny Abidia Latina hanoratana ny teny malagasy koa!

Efa nisy namoaka ho amin'ny teny latina kosa e! Ry Lazarista tany Faradofay!

Avy amin'ireto olona ireto kosa indray ireo nianatra nanoratra sy namaky teny voalohany ankoatra ny mpanjaka Radama Rainy.

Ity koa mbola misionera vahiny fa Katolika Frantsay kosa. Fantatrareo moa fa Frantsay no tena tian'ny mpanjaka Radama Rainy nifandraisana voalohany, noho i Robin izay nampianatra azy, fa napetrapetrak'ireo tokony ho manampahefana frantsay tokony hifampiresaka aminy izy. Nivadika fironana tanteraka nankany amin'ny Anglisy izy noho izay toe-javatra izay.

Mazava loatra raha resaka fandikana lahatsoratra ny famantarana ny dikan'ny voanteny anglisy (na frantsay) ho malagasy no asa lehibe hafa taorian'ny nandikana ny baiboly ho amin'ny teny malagasy.

Anisan'ny olona ambony ny mpitandrina tamin'izany fotoana izany, satria olona tsy maintsy nianatra izy ireny. Izay koa no nahatonga azy ireny hanana ny toerana hitam-bahoaka.

Ankoatra ny mpitandrina dia ny mpampianatra ihany koa no manampahaizana sy nanana fandalinana tamin'izany fotoana izany. Fantatrareo moa fa tamin'ny andron'ny faha-mpanjaka tokana teto Madagasikara, ireny fiangonana protestanta tranainy hitantsika ireny dia sady sekoly rehefa andavanandro no fiangonana rehefa alahady na andro fivavahana lehibe? Politikan'ny mpanjanatany Frantsay ny nanerena ny fanasarahana ny sekoly tamin'ny fiangonana. Nitondra takaitra lalina dia lalina tamin'ny sekoly protestanta teto Madagasikara tamin'ny fanombohan'ny vanim-potoanan'ny fanjanahanantany izany ankoatra ny tsy maintsy hampianarana ny mpianatra amin'ny teny frantsay.

Afisy fahafito. Miditra tsimoramora mankao amin'ireo Andrarezin'ny teny malagasy teraka tao anatin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany isika.

Lala sy Noro, raha atao fampitahana dia karazany "methode Boscher" malagasy izany raha ny taonany saingy Lala sy Noro malagasy efa tsy fantatry ny taranaka ankehitriny intsony, fa ny "methode Boscher" iky? Ifampitadiavana hatrany nefa efa firy taona?

Tsy tsikaritrareo va? Toa ireo mpamoaka fampianarana teny malagasy ve no tian'ilay mpanatontosa ny fampirantiana sa tena nanana hetaheta ny hampita fahaizana tamin'ny taranany ny manampahaizana fahiny?

Boky fianaran'ny ankizy ambaratonga faharoa, tamin'ny repoblika roa voalohany, na repoblika voalohany sy tetezamita voalohany miampy tapatapaky ny repoblika faharoa izany takelaka notsongaina izany. Ny ankehitriny no tsy fantatro.

Izay vao tena mpanoratra madiorano!

Afisy fahavalo

Raha tsy fantatrao ity mpanoratra ity dia... mbola Malagasy nianatra ihany ve ianao?

Na dia Malagasy mpandala ny teny malagasy aza ianao dia mety mba nisy olona tsy fantatrao ihany tamin'ireo izay nolazaina ary misy koa ireo izay tokony nampidirina nefa tsy tafiditra. Ireo andrarezina ihany no navoaka fa tsy ireo mpanoratra fanta-daza rehetra tsy akory.

 

 

 

 

 

 

Mampiofana mpampihorohoro tokoa ve ny Ivontoerana Ravinala (sy ny Light International) Eto Madagasikara?

2016-08-04 @ 09:35 in Kolontsaina

Nandeha tao amin'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra ny fiampangan'ny masoivoho tiorka ny fikambanan'olon-tsotra tiorka roa eto Madagasikara ho manana fifandraisana na mahazo famatsiambola avy amin'ny fikambanana lazaina ho mampihorohoro. Ny sekoly Light International sy ny Ivontoerana kolontsaina sy ifanakalozan-kevitra Ravinala ireo fikambanana roa voalaza ireo. Tsy mbola nisy zavatra toy izao mihitsy hatramin'izay, hoy ny jeneraly Ramakavelo, hoe ny masoivoho avy any aminy ihany no miampanga ireo toeran-kolontsaina mba manana ny laza tsarany ho tohanan'ny mpampihorohoro.


Ny fahafantarana ny toe-java-misy anefa no ahafahana mamoaka fa fifandroritana ara-politika no ao ambadik'izao fiampangana, nahatafintohina ny fikambanana avy any aminy izao. Mpiara-dalàna ara-politika tamin'ny fitondrana ry Fethullah Güllen teo aloha, fa tsy miankina amin'ny fitondrana. Manana tambajotra mampiroborobo ny fanabeazana sy ny fifanakalozan-kevitra io tambajotra io ao amin'ny "fisantaran'andraikitra Hizmet".


Noho ny kazarana tanjona tsara dia tsara, sady tanterahin-dry zareo avy hatrany tsy voatery haka fahefam-pitondrana ara-politika izany, dia ahian'ny eo amin'ny fitondrana ho takona ny ezaka fampivoaram-pirenena tanterahin-dry zareo izay tena misy tokoa sady tsy takona afenina. Lasa misy noho izany ny faminganana, nefa inona no atahorana raha samy mikaroka ny mahasoa ihany?

Na dia vahiny aza ilay fikambanana, dia nalahelo ihany ny tena ka niezaka ny hamonjy ny famelabelaran-kevitra niarahana tamin'ny mpanao gazety nataon-dry zareo tao amin'ny foiben-toerany tao Andavamamba. Tsy nahatratra ny fanombohany aho fa izay hitako ihany, sy tsikaritro no ampitaiko aminareo, tsy manana fandraisam-peo aho, ary hita any amin'ny haino aman-jery ihany ny votoatin-dresaka tamin'izany fotoana izany.

Inona no mahaliana ny ivontoerana Ravinala?

Ny hevitra sy ny tetikasa miompana amin'ireto lohahevitra ireto no mahaliana azy ireo:
- Mari-panondroana sy Fidirana tsy manankorontana ny firindran'ny fiarahamonina
- Fanabeazana, tontolo ara-piarahamonina
- Zon'olombelona sy fahalalahan'olom-pirenena
- Fifampiresahana eo amin'ny kolontsaina samihafa sy antokom-pivavahana samihafa
- Famahana olam-pifandirana, fandriamapahalemana ary fanelanelanana
- Fanatontoloana sy fahasamihafana ara-kolontsaina.


Araka ny efa nambarako tetsy ambony dia te-hampiely ny taratra avy aminy eo amin'ny fireneny sy ny sehatra manerantany ireo fikambanana mpanara-dia an'i Fethullah Güllen. Tsy miafina amin'izany izy ireo fa ny tsy ankasitrahany dia ny filazana ny tambajotran'i Fethullah Güllen ho fikambanana mpampihorohoro na mpamatsy mampihorohoro.

Avadika ny resaka, avadika ny taria fa mba hilaza kely ny lahatsoratra tany ambadika tany aho. Hoy ny nolazainy hoe mizaka ny fahadisoana ara-politika nataon'ny Britanika tamin'ny faran'ny taonjato faha-19 isika amin'izao fotoana izao satria notadiavin'ny Britanika ny fomba rehetra hamotehana ny taratra Ottoman (niavian'i Torkia). Ilay Kalifà tamin'izany fotoana izany no nopotehina, efa nanana fisokafana ho amin'ny modernisma anefa ny kalifà tamin'izany.

Rehefa potiky ny Britanika ny Kalifà tao Torkia dia vondrona tery saina tanteraka avy ao Arabia Saodita tamin'ny wahabisma nentiny no nandrombaka ny toerany teo amin'ny tontolo silamo. Io wahabisma io no nentin-dry Al Qaeda, ry Taliban, ry Boko Haram ary ry ISIS ireny. Noho ny fikarohana tombontsoa ara-toekarena, noho ny solika, tamin'izany fotoana izany no namotehana ny Kalifà fa ny vokatr'izany dia ny fahateren-tsaina araka ny fijery tandrefana sy izao fampihorohoroana mieli-patrana izao. Tadidio fa ny fomba fitsarana ao Arabia Saodita ireny tanterahin'ny vondrona islamista manapa-doha ireny.

Naharesy lahatra ahy ihany izany lahatsoratra izany, na dia tsy hitako aza ny fatiny, ka izay no nahatonga ahy hanoratra izany etoana.

Hiverina amin'ny resaka voalohany teo indray aho. Ny andrasan'ireo fikambanana roa mpiara-dia amin'i Güllen afvy amin'ny masoivoho Tiorka Volkan Turk Vural dia ny porofo avy amin'ny fitondrana Tiorka entin'ny AKP fa mampiofana mpampihorohoro ry zareo. Any an-tsesintany any Etazonia kosa i Fethullah Güllen, izay nampangaina ho tao ambadiky ny fanonganam-panjakana tsy nahomby tamin'ny 15 jolay 2016, mangataka ny hananganana vaomieram-pamotorana iraisampirenena tsy mitongilana. Nolazainy fa raha misy porofo mazava ny maha-tao ambadiky ny fanonganam-panjakana azy, izay nomelohiny, dia vonona izy ny hiatrika ny vokatr'izany.

Ny zavamisy ny betsaka ny olona voaroaka tamin'ny asany, na tao amin'ny miaramila, na polisy, fampianarana (an'arivony ny sojabe voaroaka), fitsarana, fahasalamana, fampitam-baovao ary orinasa tsy miankina hafa. Mariho fa fantsona fahitalavitra miisa 16, izay akaiky ny vondrona Gülleniste no nesorin'ny Vaomieran'ny haino aman-jery tsy ho ao amin'ny Türksat intsony ary mpanao gazety 24 no nosamborina. Izany no mahatonga ahy somary nitodika kely tany amin'ny 2009 teto Madagasikara ary hieritreritra fa nahomby ilay sarinadim-panonganana nataon'ny miaramila hanilihana izay rehetra mpanohitra ny fitondran'Atoa Racep Tayyip Erdogan tsy ho ao amin'ny asam-panjakana rehetra.

Dia samia mamisavisa!

4 aogositra 2016  

Tantaran'ny teny malagasy: Satan'ny teny malagasy

2016-07-29 @ 21:28 in Kolontsaina

Mbola mitohy ihany ny fitaterana ny fampirantiana ny tantaran'ny teny malagasy notontosaina tao amin'ny Tahala Rarihasina. Teo aloha isika niresaka ny loharano nipoiran'ny teny malagasy. Eto kosa isika miresaka ny satan'ny teny malagasy araka izay voasoratra eo amin'ny lohateny rahateo. Ankafizo indray ary

Tahaka ny ahoana moa ireo sokajin'olona liana tamin'izany fampirantiana izany. Nisy koa ireo mpianatra avy amin'ny Lisea teo akaiky teo, izay azo inoana fa notarihan'ny mpampianatra azy. Izaho moa mba efa mahalala ihany izany tantaran'ny teny malagasy araka ny aseho etoana izany fa ry zareo kosa tsy mahalala mihitsy hoe inona ny anaran'ny gazety voalohany indrindra amin'ny teny malagasy izany. Ianao koa ve mahafantatra?

Ny afisy fahateo aseho anareo. (Ny roa voalohany naseho tao amin'ny lahatsoratra teo aloha).

Voasoratra eto moa hoe faha maro andriana, saingy mba efa nahafehy faritra lehibe ihany anie ny Sakalava, ary nihorohoro hatrany ny teto Imerina rehefa hoe ho tonga izay ny Sakalava haka vary sy omby sy olona izay tratrany eny am-pandalovana eny. Nahasamihafa ny Merina sy ny Sakalava izay. Ny Sakalava nandalo fotsiny fa ny Merina kosa nametraka ny antsoina hoe Voanjo.

Ny Fanjakana teto Imerina no nahazo fankatoavana voalohany avy amin'ny Hery Vahiny voalohany manerantany tamin'izany fotoana izany ka nahatonga ny fametrahana ny Mpanjaka teto ho Mpanjakan'i Madagasikara na dia tsy voafehy manontolo aza i Madagasikara sy ny nosy manodidina azy.

Vanim-potoana namonoana voalohany ny teny malagasy tsy ivelarana. Nitahiry izany tany an-tranony kosa ny isan-tokantrano. Ny Gazety amin'ny teny malagasy tamin'izany fotoana izany koa tsy mahazo miditra politika loatra (ankoatra ny fandokafana ny firenena frantsay!)

Mety ho tsy tsapan'ny ankehitriny loatra fa ny mpitondra tamin'ny Repoblika voalohany anie ka teny frantsay no teny nampitany ny kabariny tamin'ny vahoaka nentiny. Ny fampitam-baovao tokana ihany (RTM na Radio Televiziona Malagasy) no hany mpampita vaovao ho amin'ny teny malagasy sy ho amin'ny teny frantsay ho an'ny vahoaka manontolo. Azo lazaina fa nifanahatahaka tamin'ireo firenena Afrikana mpiteny frantsay hafa i Madagasikara tamin'izany fotoana izany. Izay fahaizana teny frantsay tamin'izany fotoana izany izay no nilazana ny olona ho mahay na manampahaizana... Fanadinana tamin'izany fotoana izany dia tsy maha afa-panadinana ny tsy fahazoana salanisa tamin'ny taranja teny frantsay.

Ny afisy fahaefatra

Mila fanazavana kely angamba eto. Ny fitakiana tamin'ny tolona 1972 dia hoe fampifanarahana ny fampianarana hifanaraka amin'ny zavamisy eto Madagasikara, betsaka ihany ny ray aman-dreny nieritreritra hoe ho amin'ny teny frantsay no hanaovana izany fampianarana izany. Nisy tsy fifankahazoan-kevitra ihany tamin'io lafiny iray io.

Voasoratra any ho any moa hoe "taranaka natao sorona" izahay. Tsy resy lahatra loatra aho ny amin'izany fa ny tsy nanohizana ny fampianarana amin'ny teny malagasy hatrany amin'ny Ambaratonga Ambony no fandrika namelezana ny mpianatra tsy haharaka ny fampianarana tamin'ny teny malagasy teo aloha ho amin'ny teny frantsay tampoka. Nahafantatra mpianatra nahay dia nahay ny matematika sy ny fizika tamin'ny teny malagasy aho fa very tanteraka rehefa tonga teny amin'ny Oniversite satria tsy misy fantany ilay voambolana amin'ny teny frantsay ireo nianarany tany amin'ny SFF, SAFF, SAFM (Lisea). Nifanotofana koa ny fampianarana ankapobeny... nefa inona no tombony ho an'ny firenena tamin'izany? Lasa mpiasan'olona hatrany ny malagasy!

Namolavola fampianarana milaha-droa ihany ny Filoha Ravalomanana hampianarana ny ankizy ho amin'ny teny Malagasy sy ho amin'ny teny Frantsay (Ary ho amin'ny teny anglisy) fa misy ny hery anatiny sy ny hery vahiny tsy nahazaka izany famolavolana izany. Vao voahongana izy dia nangonina sy nodorana avokoa ireo boky efa mba nanaovana fikarohana manokana izay.

Araka ny fantatrareo moa dia fanaon'ny politisiana ny fampanantenana fa dia ho hitantsika ihany ny tohiny.

Ny afisy fahadimy.

Ny fandoroana ny Lapan'ny tanàna ve no tena nisongadina tamin'ny tolona 1972?

Anaram-birao mbola amin'ny teny frantsay ihany!

Hany ka sady tsy mahafehy teny frantsay no hafahafa rehefa mandre teny malagasy madio ny ankamaroan'ny ankizy mpianatra.

 

 

Tantaran'ny teny malagasy: Ny Loharano

2016-07-23 @ 20:01 in Kolontsaina

Aleo ianao mba entina kely any amin'ny tantara indray. Fampirantiana iray naharitra vetivety no itondrana anao. Sombiny ihany ireto sary ireto ho fitarihan-dalana anao. Mazotoa indrindra ary!

Araka ny fitantarana dia i Di... na Rahaingoson Henri no nanomboka ny roa andron'ny teny malagasy voalohany, nitarina ho iray volan'ny teny malagasy izany taty aoriana. Izy ihany koa no niandohan'ny fitenenana hoe "Andrianiko ny teniko, ny an'ny hafa koa feheziko". Raha mijery ny zavamisy ankehitriny anefa aho dia toa "Andrianiko ny an'ny hafa, ny teniko indray tsy raharahako fa mety ho haiko ho azy eo!" Miala tsiny masiaka fa fijeriko manokana izay amin'ny fihazakazahana amin'ny sekoly miteny frantsay. Tsy aleo ve tonga dia sekoly frantsay no ihazakazahana raha te-ho any Frantsa ihany?

Ny afisy voalohany

Amin'ny Afisy voalohany no ilazany ny loharano.

Maromaro ireo loharano nipoirany fa tsy voatery ho iray: Karibo! teny soahily milaza ny hoe mandrosoa fiteny any avaratra. Fanitsiana: Sanskrit no fanoratra fa tsy voamarika loatra ilay fahadisoan-tsoratra hoe Sasnkrit.

Mifanila ary ny Sorabe sy ny endritsoratra Latina eto.

Ny Afisy faharoa

Radama Rainy no nandidy ny hanaovana ny abidia malagasy.

Tsy azo lavina fa ny fandrafetana ny teny malagasy avy amin'ny baiboly no nakana ny endriky ny fanoratana teny malagasy ankehitriny.

Ireo kosa ary ny endriky ny fiteny malagasy isankarazany eto amintsika. Teny iray, fiteny maro!

Dia hatreo ny anio fa sao lava loatra aminareo. Fitarihan-dalana ihany no nataoko sy fampitana azy aminareo rehetra!


 

Broken Vow : Raha te-hahazo ny tantara (lahatsary) iray manontolo

2014-10-02 @ 23:30 in Kolontsaina

Fony fahatanora aho no liana ihany, toy ny maro tamin'izany fotoana izany, ny hanaraka telenovela. Raha ny fitadidiako dia Marimar no telenovela narahin'ny rehetra voalohany teto Madagasikara tao amin'ny matv. Ireo telenovela nalaza dia saika avy any Amerika Atsimo avokoa ary raha niserana tany amin'ny firenena iray tany Amerika Atsimo ny tena dia nahita mihitsy fa maro ny telenovela any. Raha ny fijerena fotsiny amin'izao tsy misy fandalinana lalina dia ny Breziliana sy ny Meksikana no tena malaza amin'ity telenovela Amerikana Latina ity na dia mety ho tsy ambaka izany aza ireo firenena hafa.

Efa ho lava moa ny andian-tantara telenovela no sady lavalava avokoa ny ankamaroany ka dia tsy te-hanaraka intsony aho. Raha te-hijery sarimihetsika aho dia sarimihetsika hitako ny voalohany ka hatramin'ny farany no tiako fa tsy lasa indray hitaintaina hoe hanao ahoana ny tohiny, ny tohiny izay mety ho tsy hita noho ny firavana taratara, na tsy ho tratra ny fanombohan'ilay tohiny fa misambotra antenantenany eny. Noho izany toe-javatra izany dia tsy miraharaha intsony izay hijery andian-tsarimihetsika aho. Izany akory tsy midika fa raha misy sarimihetsika indray mipalaka (hita ny fanombohany ka hatramin'ny farany) dia iny fa hijery.

Tena tsy maharaka sarimihetsika toy ny taloha intsony aho na frantsay izany, fa tena mahagaga ahy fa tsy tiako mihitsy ny sarimihetsika frantsay ka tsy mampihomehy toy ny tamin'ny  taompolo 1960 ireny. Tsy maharaka sarimihetsika amerikana ihany koa aho na dia somary mirona kokoa amin'ny Amerikana aza. Tsy marisika loatra ny hijery ny sarimihetsika malagasy ihany koa aho, na dia atao hoe ireny aza ny vokatry ny tany : asa vokatry ny lazan'ny "tantara gasy" koa angamba fa raha mijery dia tena tonga tokoa amin'ilay hoe mba hanala azy tokoa angaha fa tsy haka lagy amin'ilay dokambarotra aharihary tampoka eny antenantenany eny.

Fa ny nahagaga ahy dia voasarika indray aho ny hijery telenovela tamin'ity taona 2014 ity, na ny marina kokoa tamin'ny volana lasa teo raha naka "fialan-tsasatra noho ny asa" aho. Io nataoko lohateny io ny lohatenin'ilay andian-tantara ary tantara filipiana izy io. Mandeha ao amin'ny tv record izy io amin'izao fotoana izao. Tsy haiko loatra izay ora fanombohany, fa efa eny an-tenantenany, na efa any amin'ny dokambarotra manasaka ny tantara hatrany aho vao tonga ao an-trano. Io telenovela io no arahin'ny ato an-trano (vavy no maro an'isa) ka tsy afa-manaraka ny fanombohan'ny vaovao hatrany aho ankoatra ny hoe ny vaovaon'ny tv record indray no andrasana rehefa vita ny ampahan'ilay andian-tantara. Fa inona no nanintona ahy tamin'ilay tantara?

Voalohany angamba noho izy avy any Azia (nisy andian-tantara koreana heveriko ho mitondra ny lohateny hoe Kiss izay koa mba nahafinaritra ahy tao amin'ny Dreamin'tv fa efa vita izy io). Endrika tantara hafa indray no hita ao na dia tantaram-pitiavana aza no manjaka aminy. Rehefa mitsiritsirika sy mitady ato amin'ny siniben-tserasera ato dia tokony ho tamin'ny taona 2012 tany ho any no nivoahany. Amin'ny teny frantsay moa no anarahana azy amin'ny fahitalavitra fa ato amin'ny aterineto izy dia teny filipino misy fangaro anglisy no henonao. Efa nisy firenena vitsivitsy, Aziatika sy Afrikana, nandalovan'ny Broken Vow ary malaza ho azy ny hira famantarana azy. Mety ho liana tsy fidiny ihany koa aho angamba noho ny fanarahan'ny ato an-trano azy, na dia fantatra amin'ny fanetsehana karazana fihetseham-po rehetra toy ny alahelo sy ny ranomaso, fifaliana sy fahatezerana ary fahasosorana aza ny ankamaroan'ny telenovela.

Nandritra ny fialan-tsasatra teo ary dia nisy fotoana nosikiriko tsirairay tao amin'ny YouTube tao ny ampahany maro tamin'io andian-tantara io na dia misy ihany aza ny dingadingana fa tsy namelako raha tsy vitako hatramin'ny farany indray, na dia niareta-tory nandritra ny alina tontolo aza ka efa mazavaratsy vao nijanona sy nitady torimaso. Dia lasa amin'izay ny hetaheta hoe andeha alahatro ilay tantara haseho anareo mpamaky izay liana ihany koa, fa sahirana ihany. Noho ny fitadiavana tamin'ny alalan'ny mili-pikarohana matanjaka ananan'ny aterineto anefa dia voavaha ihany ny olana ary azo lazaina hoe tsara vintana ihany raha afa-mijery indray azy manontolo, na dia amin'ny teny tsy fantatra aza; tena tsy ahitantsika mihitsy ny teny anglisy na teny frantsay.

Misy lalana roa omeko anareo: ny voalohany ezaka nataoko ihany araka ilay efa nosoratako hoe nasesiko araka izay hitako tao amin'ny Youtube tao fa tsy tena feno izy io. Ny faharoa kosa feno fa ny loharano nakako azy kosa dia mbola tamin'ny blaogy iray hafa amin'ny teny anglisy ihany.

Ny lalana voalohany :

Ny lalana voalohany ary dia ny fomba nahitako azy tao amin'ny Youtube rehefa nametraka ny lohateniny. Voamarika fa tsy nisy tamin'ny anaran'ny lohateniny avokoa ny anarany fa karazan-tsoratra sy laharana 1 ka hatramin'ny 5 hatrany matetika no hita. Raha nikaroka azy aho noho izany dia niainga antenantenany teo amin'ny BFRVDA1 saingy afa-nihemotra nankeo amin'ny BARVCD1 (tonga izany dia io mihitsy no apetraka eo amin'ny fikarohan'ny YouTube) dia manaraka ho azy eo ankavanana eo ny laharana 2-3-4-5 izany hoe BARVCD2 , BARVCD3 , BARVCD4 ary BARVCD5 izay vao miditra amin'ny BFRVDA1-2-3-4-5. Toy izao manaraka izao ny fitohizany narahiko indray alina :

BARVCD1-2-3-4-5
BFRVDA1-2-3-4-5
BRAFVXC1-2-3-4-5
BRSGCA1-2-3-4-5
BTYTHGV1-2-3-4-5
BFRVGA1-2-3-4-5
BRAFCVF1-2-3-4-5
BYAHFA2 mety ho diso lalana angamba aho teto fa ny tao amin'ny tantaran'ny niseraserana no nijereko
BHVGJV1
BHVGAD2-3-4-5
BHSTRBA1-2
BDKENV1-2-3-4-5
BXRBDV1-2-3-4-5
BMSXEV1-2-3-4-5
BRCFIV1-2-3-4-5
BFUWWV1-2-3-4-5
BDHDTSV1-2-3-4-5
BGLKWDV1-2-3-4-5
BMOSBCYV1-2-3-4-5
BDEBDV1-2-3-4-5

Vita hatramin'ny farany ny nanarahako azy tontolo alina na dia mety misy dingadingana aza eny antsefatsefany eny.

Lalana voalohany fanampiny :

Rehefa tapa-kevitra ny hizara azy aminareo aho dia hitady indray teo amin'ny mili-pikarohana google ka nahita ity fifampitohizana lahatsary sady tsy hita ny lohany no tsy hita ihany koa ny farany saingy efa azontsika jerena eo amin'ny lalana voalohany etsy ambony ihany ny tohiny satria nifarana teo amin'ny BXRBDV5 fa azontsika tohizana amin'ny BMSXEV1 araka ny natondroko tetsy ambony ihany. Ny maha-hafa ity fanampiny lazaiko ity dia efa vitsy kokoa ny fahasahiranana hitady ny tohin'ilay andian-tantara.

 

Ny olana moa dia miainga antenantenany efa manomboka fantatr'i Melissa amin'izay hoe ity Felix ity no rain-janany, izany hoe anisan'ny nanolana azy, ilay olona tokony ankahalainy indrindra nefa efa lasa notiaviny.

Ny lalana faharoa :

Azo lazaina ho feno kosa indray ity fanoroana faharoa ity ary afa-miainga hatramin'ny voalohany mihitsy isika. Mariho hatrany fa tsy misy lahatsary amin'ny teny anglisy na amin'ny teny frantsay ity telenovela ity fa amin'ny teny filipino misy fangaro teny anglisy kely, ary mety ho misy teny espaniola ihany koa fa tsy mahafantatra ilay teny espaniola manko ka mety tsy hahatsikaritra izany. Noho ny fanarahana ity andian-tantara ity no lasa nitodihana ny tantaran'i Phillipines ka nahitana fa hay zanatanin'i Etazonia io firenena io rehefa avy zanatany espaniola. Somary gaga tamin'ny fahenoana teny anglisy teny antsefatsefany eny manko no nahatonga hikaroka ny tantaran'ilay firenena.

Tondro voalohany omena anareo dia ny famintinana ny tantara ao amin'ny blaogy FROM TIME TO TIME. Hita ao fa nozaraina ho 93 ny tantara. Tsy ahitanao lahatsary mivantana io blaogy io fa rohy no omeny. Ny tondro voalohany nomeko anareo eto dia famintinana isaky ny fizarana amin'ny teny anglisy.

Tondro faharoa kosa dia ny rohy rehetra, na ny rohy tsirairay amin'ireo fizarana natao 43 kosa indray fa tsy 93 tahaka ny etsy ambony. Raha efa nanaraka kely ny tetsy ambony ianareo dia hahita fa misy lavalava sy misy fohikely ny tantara isaky ny fizarana ka mifanahatahaka amin'izany ihany angamba ny rohy avoakan'ilay blaogy:

Ato ny rohin'ny fizarana 20 voalohany araka ny ataon'io blaogy efa notononina anarana indray mandeha io. Somary midina ambanimbany kokoa isika ao dia hita tsirairay ao ny rohy fa tsy ilay lahatsary avy hatrany.

Ato kosa ny rohin'ny fizarana natomboka tamin'ny faha-20 ka hatramin'ny faha-40. Izany hoe misy miverina in-droa kely izany ilay fizarana mba tsy hisian'ny fifandisoana angamba.

Any antsefatsefan'ny fanazavana ny tantara amin'ny teny anglisy kosa no ahitana ireo rohin'ny fizarana manomboka amin'ny faha-40 ka hatramin'ny faha-43 miaraka amin'ny Akhir izay mety hoe fizarana farany angamba no filaza azy amin'ny teny malagasy.

Efa lavalava ihany izay soratra izay fa na izany aza dia ireo daholo izy rehetra raha liana ihany amin'ilay tantara ianao koa dia mazotoa mijery tsy mahazo izay ambaran'ny mpilalao.


Jentilisa 3 oktobra 2014

Inona avy ny tombontsoa azontsika amin'ny teny frantsay?

2014-09-04 @ 08:22 in Kolontsaina

Rehefa mamaky ity lahatsoratra ao amin'ny Global Voices teny malagasy ity ianao dia ho tsikaritrao avy hatrany fa mitodika bebe kokoa amin'ny tombontsoa frantsay ilay mpanoratra. Tsy azo melohina izany fironana izany fa anjarantsika hafa rehetra kosa ny manontany tena hoe aiza ho aiza kosa ny tombontsoan'ny Malagasy rehefa miditra amin'itony fikambanana iraisampirenena tahaka ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie) itony isika.

Ambaran'ny tatitry ny OIF tamin'ny taona 2010 hita ao amin'ny lahatsoratra fa amin'ny taona 2050 dia hosongonan'ny mpiteny frantsay (mahatratra 750 tapitrisa) ny isan'ny mpiteny anglisy. Fikambanana mpiaro ny teny frantsay kosa ve tsy hanatsara ny azy? Dia roboka daholo amin'izay ny orinasa frantsay manoloana izany tsena azo trandrahina tsara izany hanokana fandaharana ho an'i Afrika. Tsy misy resaka ho an'ny mpandraharaha Afrikana hatreto, fa somary mahatohina ihany ilay famaranana ny lahatsoratra hoe misy tombontsoa Afrikana ao amin'ny resaka fanofanan'asa sy ny tsenan'asa, natao ho mpiasa hatrany ve ilay Afrikana fa ny Frantsay no mpamorona asa?

Eritreritra tsy tana izany fa ilaina fantarina ihany izay voasoratry ny lahatsoratra. Mahatonga saina manko ny mahita resaka TNT amin'ny fomba ankolaka ao ka lasa manoratra tsy fidiny hoe nisy baiko avy any ambadika ve ilay mahamaika ny fitondrana malagasy hiditra amin'ity TNT ity.

 

Jentilisa 04 septambra 2014

Taombaovao Malagasy Siantifika ?

2013-03-17 @ 22:49 in Kolontsaina

Ninia tsy nitabataba loatra aho tamin'ity raharaha iray ity. Sanatria tsy fitiavana manokana ny fomba malagasy na fanaovana tsinontsinona ny fitadiavana izay mampiavaka sy mahaizy ny Malagasy fa indraindray misy ihany ny zavatra mila fanazavana sy itadiavam-baliny ny lohahevitra iray. Ny tena dia mpankafy ny kolontsaina koa na dia tsy nobeazina tamin'ny fombafomba malagasy loatra noho ny fiainana an-drenivohitra aza dia mianatra ny mahafantatra sy maka tsoa-kevitra amin'izay mendrika asandratra. Dia tonga ity Taombaovao Malagasy izay mampiady hevitra fatratra sy mampifanolana vondron'olona samy mpanandratra ny maha-Malagasy.

Tsy mifanaraka amin'izay  tokony ho taombao iraisana sady iavahana. Valalanina ny mpanao gazety ary fanina ny sarambambem-bahoaka, hany ka lasa tsy miraharaha ilay kolontsaina. Ny antony hanoratako kosa, ahiako hisy tohiny ny raharaha, dia ho an'ireo izay liana ka te-hahafantatra bebe kokoa. Na ny tena aza dia nandany andro maromaro nitadiavana tahirin-kevitra (mbola an-tserasera avokoa) sy namakivakiana ny hevitr'ireo olona manodidina ity resaka ity. Mety ho lava ny resaka fa ny tsy maintsy idirako voalohany dia ny fihamboana fa misy ny taombaovao ara-tsiantifika izay mety hampihomehy ihany rehefa mieritreritra ilay izy elaela ianao. Tsoa-kevitra tamin'izay hitako niainga tamin'ny famakiana ireo tahirin-kevitra (lahatahiry) no atolotro etoana.

Fampidirana vetivety: misy karazany roa amin'ny ankapobeny ireo mpitana ny taombaovao Malagasy, ka ny mampifanolana indrindra ireo antokon'olona ireo dia ny daty hanamarihana izany. Ny antoko voalohany dia ireo mankalaza ny fety eo anelanelan'ny volana marsa-avrily izay ny fikambanana Trano Kolotoraly Malagasy sy ny fikambanana Mamelomaso. Ny antoko faharoa kosa dia ireo mankalaza ny fety mifanandrify amin'ny fiafaran'ny volana Ramadany izay ny Zana-dRanavalona no tena fanta-daza amin'izany. Heveriko fa avy any amin'ny loharano nanatanterahana voalohany ny fotoana no mahatonga ny fisarahan-kevitra. Ny an'ireo antokon'olona voalohany ny asiako resaka vetivety etoana.

Fandresen-dahatra miavaka sy entina tsy ahafahan'ny mpifandresy lahatra amin'ireo mpankalaza ny taombaovao mandritra ny tsinambolan'ny alahamadin'ny marsa-aprily mamaly azy intsony ny filazana fa azo porofoina ara-tsiantifika ny taombaovao fikiriny. Hoy ny filazana  hoe : « Andro hifanitsian’ny volana sy ny masoandro amin’ny antokon-kintana Alahamady raha jerena avy ety an-tany (eto Madagasikara) ny taombaovao malagasy ». Vao mahare izany ny mpiady hevitra aminy dia tsy mahateny satria angaha ny azy ny heveriny azo porofoina ara-tsiantifika ity resaka taombaovao ity? Fa angaha r'itony porofoina amin'ny fomba siantifika itony fety itony? Ny ao an-tsaiko dia tsy azo porofoina izany zavatra izany satria resaka ifanekena no hanaovana na hametrahana ny daty fa tsy nisy fanaporofoana ara-tsiantifika izany. Na izany aza dia aleo apetraka araka ny fomba fisainany ny resaka.

Lasa aloha ny tena nanontany an'i Google hoe misy ifandraisany ve ny taombaovao sy ny astronomia na ny taombaovao sy ny siansa fa izay nojereko rehetra tsy misy mampifandray ireo voambolana niara-nalahatra ireo. Tena miavaka manokana ve izany ny Malagasy raha afaka manaporofo fa siantifika no nisafidianany ilay na ireo andro hanaovana ny taombaovao no tsy misy ifandraisany izy ireo amin'ny fitadiavana atao? Misy resaka tsy milamina ao ambadimbadika ao an! fa lasa hatrany nanao ny fitadiavana, farany tonga teo amin'ity hoe "Zôdiaka" na raha atao teny malagasy mahazatra kokoa dia hoe "ireo anaram-bintana" nalahatra araka ireo antokon-kintana eny amin'ny lanitra jerena avy ety an-tany ka andalovan'ny masoandro. Fa nihomehy  irery amin'izay aho rehefa nahavaky azy nanao hoe izao izany no siantifika aminy koa. Fa ahoana ny  voalaza?

Tena tsorina dia tsorina ny resaka mora hahazoana azy. Misy karazany roa ny zodiaka dia ny zodiaka teorika ( zodiaque tropical) sy ny zodiaka ara-boajanahary (zodiaque sidéral). Ny zodiaka teorika dia ny fampizarazarana ho 12 ny faribolana iray ka samy mahazo zoro 30° tsirairay avy ny antokon-kintana nakana ny anaram-bintana (noraisina ho karazana anaram-bolana teo amin'ny Malagasy teto Imerina). Ny toera-piaingan'ny fotoana raisina na hoe toera-pifanandrifiana niaingana dia eo amin'ny teboky ny lohataona (point vernal ou équinoxe du printemps ho an'ny ila-bolantany avaratra)  izay heverina ho teboka iray samy niaingan'ny zodiaka teorika sy ny zodiaka ara-boajanahary.

Ny zodiaka ara-boajanahary kosa dia ny toerana tena marina misy ireo antokon-kintana raha oharina amin'ny teboky ny lohataona. Noho ny fisian'ny fikisahan'ny miraalina (équinoxe) izay miteraka fifindra-toerana eo anivon'ny habakabaka dia misy fifampisintahana tsikelikely 1° isaky ny 72 taona eo amin'ny zodiaka roa tonta na fiovan'ny fotoana andalovan'ny masoandro eo amin'ny antokon-kintana voafaritra na tenenina amin'ny voambola hafa hoe fiovana anaram-bintana isaky ny 2150 taona na mahavita fihodinana feno iray isaky ny 25800 taona. Amin'izao fotoana izao dia eo amin'ny 29° avy eo amin'ny teboky ny lohataona no misy ny fanombohan'ny zodiaka ara-boajanahary raha tsy etsehina eo amin'ny fanombohan'ny zodiaka teorika kosa izany teboky ny lohataona izany. Izany hoe andro na vanim-potoana hafa mihitsy amin'ny fotoana teorika ifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana jerena avy ety an-tany ny fifanandrifian'ny masoandro sy ilay antokon-kintana voalaza ara-boajanahary. Tsy haiko intsony raha mbola azon'ny mpamaky izay tiako lazaina na tsia fa na izaho aza mbola sahirana manazava azy amin'ny teny Malagasy.

Efa nisy nahavita tabilao moa izany resaka izany hahatsotra azy fa dia tsy maintsy ataoko fanazavana an-tsoratra hatrany noho ny fahasarotana sy ny fotoana lany amin'ny fananganana tabilao amin'ny tranonkala.

Raha ara-teorika dia hoe ny 21 marsa- 19 avrily no ifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana Alahamady (Al-h' amal) na Bélier dia ny 18 avrily - 13 mey kosa no fandalovana ara-boanajahary ataon'ny masoandro amin'io antokon-kintana io eny an'habakabaka.

Raha ara-teorika dia hoe ny  20 avrily - 21 mey  no ifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana Adaoro (Ath-thaûr) Taureau dia ny 13 mey - 21 jona kosa no fandalovana ara-boanajahary ataon'ny masoandro amin'io antokon-kintana io eny an'habakabaka.

Raha ara-teorika dia hoe ny 21 mey - 21 jona no ifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana Adizaozo (Al-dzaûza) na Gémeaux dia ny 21 jona - 20 jolay kosa no fandalovana ara-boanajahary ataon'ny masoandro amin'io antokon-kintana io eny an'habakabaka.

Raha ara-teorika dia hoe ny 22 jona - 22 jolay no ifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana Asorotany (As-sarat ân) na Cancer dia ny  20 jolay - 10 aogositra kosa no fandalovana ara-boanajahary ataon'ny masoandro amin'io antokon-kintana io eny an'habakabaka.

Raha ara-teorika dia hoe ny 23 jolay - 23 aogositra no ifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana Alahasaty ( Al-asad) na Lion dia ny 10 aogositra - 16 septambra  kosa no fandalovana ara-boanajahary ataon'ny masoandro amin'io antokon-kintana io eny an'habakabaka.

Raha ara-teorika dia hoe ny 24 aogositra - 22 septambra  no ifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana Asombola (As-sumbula) na Vierge dia ny 16 septambra - 30 oktobra kosa no fandalovana ara-boanajahary ataon'ny masoandro amin'io antokon-kintana io eny an'habakabaka.

Raha ara-teorika dia hoe ny 23 septambra - 23 oltobra  no ifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana Adimizana (Al-mizan) na Balance dia ny 30 oktobra - 20 novambra kosa no fandalovana ara-boanajahary ataon'ny masoandro amin'io antokon-kintana io eny an'habakabaka.

Raha ara-teorika dia hoe ny 24 oktobra - 22 novambra no ifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana Alakarabo  (Al-aqrab) Scorpion dia ny 20 novambra - 29 novambra kosa no fandalovana ara-boanajahary ataon'ny masoandro amin'io antokon-kintana io eny an'habakabaka.

Eto misy antokon-kintana antsoina hoe Serpentaire tsy napetraka ho ao anatin'ny anaram-bintana saingy ny fifanandrifiana tazana avy ety an-tany ataon'ny masoandro amin'izany antokon-kintana izany dia ny 29 novambra - 18 desambra

Raha ara-teorika dia hoe ny 23 novambra - 21 desambra no ifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana Alakaosy (Al-qaûs) na Sagittaire dia ny 18 desambra - 20 janoary kosa no fandalovana ara-boanajahary ataon'ny masoandro amin'io antokon-kintana io eny an'habakabaka.

Raha ara-teorika dia hoe ny  22 desambra - 19 janoary no ifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana Adijady (Al-djadi) na Capricorne dia ny 20 janoary - 16 febroary kosa no fandalovana ara-boanajahary ataon'ny masoandro amin'io antokon-kintana io eny an'habakabaka.

Raha ara-teorika dia hoe ny 20 janoary - 19 febroary no ifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana Adalo (Ad-dalû) na Verseau dia ny 16 febroary - 11 marsa kosa no fandalovana ara-boanajahary ataon'ny masoandro amin'io antokon-kintana io eny an'habakabaka.

Raha ara-teorika dia hoe ny 20 febroary - 20 marsa no ifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana Alohotsy (Al-h'ût) na Poissons dia ny 11 marsa - 18 avrily kosa no fandalovana ara-boanajahary ataon'ny masoandro amin'io antokon-kintana io eny an'habakabaka.
 
Koa eto am-pamaranana vetivety ary dia te-hanontany aho hoe aiza ho aiza ara-tsiantifika tokoa no fifanandrifian'ny masoandro amin'ny antokon-kintana Alahamady? Ny lazainy ho 21 marsa - 19 avrily ara-teorika sa ny 18 avrily - 13 mey ara-boajanahary na tena izy eny an'habakabaka eny amin'izao fotoana izao raha tazanina avy ety an-tany ?

Jentilisa 18 marsa 2013

Mpampianatra tsy mpanabe?

2013-02-20 @ 09:21 in Kolontsaina

Fony mpankafy nijery sarimihetsika tamin'ny fahitalavitra ny tena dia natao  toy ny fanalan'andro fa noheverina tsy hisy izany hoe mpampianatra masiaka dia masiaka amin'ny mpianatra mbola zaza izany. Matetika moa rehefa misy ilay mpampianatra masiaka dia masiaka, dia eo akaikiny eo mandrakariva misy mpampianatra tsara fanahy amin'ny mpianatra ary miezaka ny hanalefaka ny habibian'ilay mpampianatra notononina voalohany. Noho ny maha-an'ny ankizy ilay sarimihetsika dia mandresy hatrany ny zaza any amin'ny farany ary ny zaza ihany amin'ny ankapobeny no nitady tetika hanasaziana ilay mpampianatra (na tale) saro-po. Tsy noheverina tena hisy amin'ny fiainana andavanandro, indrindra fa hoe eto Madagasikara, izany toe-java-misy izany raha tsy nanatri-maso mivantana ny tena.


Ao amin'ny sekoly tsy miankina iray eto Antananarivo, Madagasikara,no ahitana mpampianatra vehivavy iray nahavariana ihany ny fihetsiny. Manana zanaka vavy hanala ny fanadinam-panjakana voalohany izy, ary izy ihany no mpampianatra ny zanany. Raha ny ray aman-dreny amin'ny ankapobeny no mahafantatra izany dia hieritreritra avy hatrany fa ho tsara fampianarana ny zanany eo ambany fitantanan'izany ramatoa mpampianatra izany. Hentitra dia hentitra amin'ny mpianatra izy mba hianaran'ny ankizy tsara sy hahatsapan'ireo mpianatra ireo fa tsy zava-kitoatoa eo amin'ny fiainam-pianarana izany hoe hanala fanadinam-panjakana izany. Hahatsiaro menatra ihany koa ny ray aman-dreny raha ny zanany no tsy afaka amin'ny fanadinam-panjakana toy izany. Nandiso fanantenana tanteraka anefa ny fihetsiky ramatoa mpampianatra fa lasa toy ny manao zavatra tafahoatra izy ary toa azo lazaina ho mivadika fankahalana olona mbola zaza indray aza ny fihetsika ataony.

Tamin'ny kilasy mialoha ity kilasy fanalana fanadinana voalohany ity dia efa nanao fanampim-pampianarana izy (cours fa ny ilazany azy ho an'ny mpianatra dia hoe manao suivi izy), andoavam-bola fanampiny ankoatra ny saram-pianarana izany mazava loatra. Nahazo laharana ambonimbony ny zaza tamin'izany fotoana satria atao hoe voara-maso tokoa ny zaza. Rehefa nigadona amin'ny taom-pianarana fanalana fanadinana, niova ny tantana fa nanomboka nanana fotoana ka nanapa-kevitra ny hanara-maso akaiky ny fianaran-janany ny renin'ny zaza. Mihevitra noho izany ny renin'ny zaza fa noho ny fananany fotoana amin'izay dia omeny ny fahavononana feno hiatrika ny fanadinana ny zanany, hanampy azy hahazo ny lesona sy hanampy ihany koa ny fanazavana ary hanadina ihany koa. Tsapa anefa fa tsy tahaka izay no nandraisan-dramatoa mpampianatra ny resaka. Niova ny fomba fifandraisan'ny zaza sy ny mpampianatra satria toa nilanila vaniny tamin'ireo mpianatra tsy manao suivi ramatoa. Tsy maninona hoe fomba fijery mitongilana no hotantaraina saingy izay mitaraina aloha no henoina...

Nanomboka tamin'ny hoe izay miteny malagasy ao amin'ny faritry ny sekoly dia mandoa vola ariary zato aminy. Any am-piasana aza tsy azo atao ny fanasaziana ara-bola afa-tsy noho ny fahabangan'ny vola amin'ny asa atao. Dia ny sary kely rehetra (saritanin'i Madagasikara na firan'ny taova isan-kazarany toy ny fo, havokavoka) sns ihany koa izay ahatafidirana sary dimy eo ho eo ny refin-taratasy A4 iray dia vidiana ariary zato tsirairay... nefa ny sary amin'io tsy mazava tsara akory fa manjavozavo tsy hay vakiana. Isaky ny fanadinana dia asainy mitondra 700 ariary isan'ankizy isaky ny fotoam-panadinana hamaliana ny fanontaniana ihany koa ny mpianatra (izany hoe ariary zato ny iray amin'ny taranja fito ampianariny, marihiko etoana fa fanapaha-keviny samirery io fa tsy politika ankapoben'ny sekoly). 

Indray mandeha moa dia efa nisy boky fanomanana fanadinana efa nandrasan'ny sekoly hatry ny ela. Vao nisy mpianatra iray nahazo dia nolazaina fa tsy maintsy mitondra io boky io avokoa ny mpianatra rehetra ny ampitso maraina. Andro alarobia io fotoana io ary tsy maintsy mitondra ny boky ny mpianatra ny alakamisy maraina. Noho izay mety ho antony samihafa tany amin'ny tokantrano tsirairay tany dia tsy afa-nitondra ny boky ny 40% eo ho eo amin'ny  mpianatra iray kilasy ny alakamisy maraina fa navoakany niaraka tamin'ny kitapo dia nasaina niloloha tanana teo ivelany teo mandra-pahavitan'ny ankizy nitondra boky ny zavatra natao tao amin'io boky io. Nolazaina moa ireo mpianatra ireo fa tsy ilaina miverina any an-tsekoly izay mbola tsy manana ilay boky ny hariva... ary dia nisy tokoa moa ny tsy niverina satria mbola tsy nahazo. Ny nampihomehy mahasosotra tamin'ny nataon'ny ramatoa mpampianatra dia hoe tsy mahazo manao ny devoara tsy natao tamin'io andro io intsony ny mpianatra tsy nitondra ilay boky.

Tia manao fety io sekoly io. Tsy maintsy manomana fanamiana vaovao hatrany isak'izany fanaovana fety izany. Tsy maintsy ampanjairina ny fitafiana satria zavatra tsy ho hita eny amin'ny mpivarotra mihitsy no atao. Nanao tsara tokoa ny tena tamin'ny fety mialoha ny krismasy satria mba fetin'ny faran'ny taona io... Nanomboka tapaky ny volana janoary indray dia efa nampiomanina ny ankizy fa tokony hanana fitafiana lokon'i Brezila na lokon'ny telma ny ankizy tsirairay avy amin'ny fetin'ny talata matavy. Tsy nofariparitana mazava moa ny didy anaovana ny akanjo fa dia izay loko izay no nohitrikitrihina. Tsy naka sarotra ny renin'ny zaza fa nividy izay azo novidiana. Tratry ny fanaviana ny zaza ny alatsinainy mialoha ny talata matavy ka tsy nalefan'ny ray aman-dreniny tany an-tsekoly. Ny talata andron'ny fety vao nankany fa levilevy no niandry, tsy ilay akanjo novidiana no nanaovana fa akanjo lava tanana ary nampanaovina akanjo mafana manara-batana [solo-pataloha] miloko mena satria zaza vao avy narary. Nasaina nesorin'ilay mpampianatra anefa ilay akanjo manara-batana satria tsy loko telma io na loko brezila ary voasazy fa ahena 40 ny isa ankapobeny azo tamin'ny fanadinana (izay notontosaina ny andro alakamisy mialoha ny talata matavy) . Noho ny tsy nanatrehany ny fianarana ny alatsinainy mialoha ny talata matavy dia mbola nahena 40 ihany koa ny isa ankapobeny azo tamin'ny fanadinana. Izany hoe mihena 80 izany ny isa ankapobeny tamin'ny fanadinana andrana nataony. Efa nilaza mialoha izy fa izay ankizy tsy mahazo ny salan'isa ampy dia tsy maintsy manao ny suivi ary tsy karakaraina ny taratasy hanalany fanadinana. Tonga dia hoy ny eritreritry ny renin'ny zaza hoe: "Angamba nahazo isa ambony be ny zaza dia ahintsana ny isa ankapoben'ny zaza". Mifanindran-dalana amin'izany kosa dia nolazainy fa omena fanampin'isa 40 tamin'ny fanadinana natao ireo ankizy nahafinaritra ny fomba fiakanjony tamin'ny fetin'ny talata matavy. Dia izay no zava-misy mba tiana nampitaina fa afaka mitsikera na ramatoa mpampianatra isika na ny renin'ny zaza...

 

Ilay fitafiana nahavoasazy

 

Jentilisa 20 febroary 2013

Taratasy misokatra setriny [2]

2011-04-18 @ 21:51 in Kolontsaina

Ny mpamaky ny Maharesaka Veto tsy tapaka dia mety ho nahatsikaritra ny fisian'ny taratasy misokatra ho an'ny mpikabary malagasy rehetra. Noho ny fifanarahana an-trano teo amin'ny mpianakavy taorian'ny fivoriana fanindroany misesy ny alatsinainy alina rehefa nahatontosa ny asany avokoa ny mpianadahy avy dia nekeko ny fanesorana ny lahatsoratra, saingy soloiko hafa midadasika kokoa izany ka tsy asiana loatra ny zavatra niainana. Misy ihany koa ireo namaly tany amin'ny sehatra samihafa koa dia apetrako etoana izany ankoatra ny tena anarany angaha. Azontsika rehetra hatrany anefa ny mbola manohy ny adihevitra.


Toy izao aloha ny ambangovangon'ny lahatsoratra nofafana : 


1. Fanivaivana olona eo amin'ny samy mpikabary no tena nampisendaotra ny mpanoratra. Hoy aho tamin'izany hoe :

Raha izaho manokana raha hanivaiva olona sy hanamboniako ny tenako no hanaovako kabary dia aleoko tsy miditra amin'izany fa tsy manefy ahy ho olom-banona velively izany.

Fanivaivana fa tsy mahay mikabary aloha, avy eo indray fanivaivana fa tsy mahay fomba rehefa hita ny fahaizan'ilay mpikabary. Mbola mitoetra hatrany ny adihevitra amin'izay olona tokony handray anjara fitenenana.


2. Efa tsy fanajana olona ihany koa araka ny hevitro raha ora maromaro vao ampidirina ny olona. Satria tsy hoe tsy misy atao afa-tsy fambolena sy fiompiana tamin'ny taonjato faha-17 sy 18 intsony ny olona. Nasiaka mihitsy aho nanoratra hoe:

Raha mbola tsy vita tokoa ny fiomanana dia tsy maninona loatra ilay fampiandrasana fa raha hoe isan'ny fandondonana varavarana no amohana na tsia azy io dia tazony ho anareo ny anareo ka aza tsiny raha ilaozan'ny hafa ianareo ary mety ho anisan'ny antony goavana mahataraiky ny Malagasy mihitsy ny zavatra tahaka itony.

Na izany na tsy izany, misy ny milaza hoe ilaina ny ijerena lazon'ady ny olona te-hiditra ho fianakaviana koa. Tena mety ho an'ny fianakaviana mpiompy sy mpamboly miandry ny vokatra am-bolana ny lazon'ady fa ny vanim-potoana ankehitriny anie efa ny isam-bolana na ny isan'andro no mikaonty nefa mbola hevitro ihany izany fa inona kosa no tena lafy tsaran'ilay fampiandrasana olona ary?


3. Ao anatin'ny "lalao" ilay mody miala rehefa tsy ampidirina an-trano ka tokony anaty lalao ihany koa ny miala maina satria resy ny mpikabarin'ny tena saingy nihazakazahan'ny mpikabarin'ny mpamoaka moa ny mody nanasohaso kely ilay zazalahy na nisy teny maharary nataon'ilay mpikabary tamin-drazazalahy ihany aza. Nanontany aho ny anton'ny fandoavam-bola vao miditra mialoha ny idirana an-trano fa ny fahazoako azy tsy mahay ilay "fomba" dia saran'ny fafa trano angamba iny. Efa novaliana mpikabary etsy ambany etsy ny tena dikany ary izay rahateo no notadiaviko.

Saingy izay angaha moa ilay fomba ka dia naloa ny sara na tsy nisy tapakila nandoavana azy aza. Izany hoe eto aho dia mitady fanazavana ny dikan'iny fandoavam-bola mialoha ny hidirana ao an-trano iny satria matoa natao iny dia tokony fantarina ny antony ho fakan-desona


 4. Misy ny adin'ny mpikabary ka eny imasom-bahoaka vao manao ny ataony amin'izay. Manaiky izany ny ankamaroan'ny mpikabary nifampiresaka tamiko. Averiko eto izay nosoratako hoe:

Anjaranareo mpikabary mpitana ny fomba amam-pitenenana malagasy ary azafady indrindra no manazava aminay ny anton'ilay fifanevatevana eo amin'ny samy mpikabary misy fiantraikany amin'izay mety ho fifandraisan'ny fianakaviana roa tonta. Toa misy fifanenjehana tahaka izany, hono, eo amin'ny fikambanana mpikabary samihafa sa diso izany? Izany ve no kolontsaina tianareo ampitaina amin'ny taranaka efa tsy mahalala intsony ny hasin'ny kabary sa fitaratra ihany ireny fa tena tia nifanevateva sy nifanambanimbany tokoa ny Malagasy teo aloha ka tonga hatrany anaty kabary izany? Sao fomba tokony ilaozana kosa e? Lasa tsy nisy dikany mihitsy manko na dia voateny tao aza ilay fitenenana hoe raha misy izay mangidy nolazaina dia aza ny tenako no ariana fa ny teniko


Indreto manaraka tsy misy ahitsiko ireto kosa ny setriny izay misy avy amina mpikabary mihitsy:


A. avy amin'i Naritsimba izay namana ao amin'ny serasera:


Mahay mikabary ve?


Miarahaba an'i Jentilisa ny tenako, efa ela tokoa tsy nihaona ary na mamaky matetika izay voasoratra aza dia izao vao hanampy fanazavana momba ny Kabary Malagasy. Mpikabary moa ny tena ary efa maromaro izay kabary naleha sy ny toerana nikabariana izay raha teo @ fanaterana vodiondry.


Misy tokoa ny fomban-tany izay mbola tena manaja feno ny fomba teo aloha izay nahatonga ny fitenenana hoe: Izay resy an-kabary, very vady aman-janaka." Amin'ireto faritra ireto no mbola tena mitana azy raha manodidina an'Antananarivo: Arivonimamo miankandrefana sy ny manodidina azy, Zafindravoromanga any Ambohitrolomahitsy (Talatan'Ivolonondry).

Ny mifamaly an-kabary dia fanao izany hoe fampisehoana ny hakanton'ny teny Malagasy, ny tsy fampandrosoana ny vahiny ao an-trano ela loatra dia tsy fomba fanao fa ny fandonana im-pito na in-tsivy izany hoe isa tsy an-kasa dia tokony ho vita ao anatin'ny 15mn-30mn raha ela indrindra.

Ilay hoe misy sara-pidirana ao an-trano, tsy hoe vola aloa iny fa, raha misy eo am-baravarana na eo an-tokonana satro-bory, dia androtsahana vola iny fa tsy sanatria raisina ilay satroka dia ariana, izany dia midika fa manaja izay zavatra hitanao ianao rehefa any an-tananan'olona fa tsy manilikilika ny hafa na handray ny tsy an'ny tena, ary io dia izay foy no atao ao, mety 100ariary na 200 ariary, tsy azon'ny tompon-trano lavina izay vola voarotsaka ao ary tsy misy ady varotra.

Ankoatra izay ireto avy ny karazam-bola fandoa:

Ala-fady tany= atolotra ilay mpikabary ary miala-tsiny noho ny tsy fahafantarana ny fomban-tany, mety ho vola io mety ho toaka;

ala-diso = atolotra ny mpikabary mpamoaka an-drazazavavy alohan'ny tena hidirana @ ranja-kabary mba tsy hisian'ny tsikera hahazo ny mpitondra teny avy aty amin-drazazalahy, indrindra raha misy teny diso voalaza. Ny vola amin'ireo dia tsy azo iadiam-barotra fa izay foy.

Toy izany koa ny "tampi-mason'anadahy" tsy azo iadiam-barotra, raha mbola tsy vita tamin’ny fiantranoana.

Ny vola manaraka moa dia ilay atao hoe SOLOMBODIONDRY miaraka @ ireo sakeliny maro: ala-volofotsy solon-tsakarano, hasim-bosarin-jaza ... io kosa dia tsy maintsy feno 7 rehefa tononina, azo atao anaty valopy tokana miaraka @@ solombodiondry, na valopy 8 isa ka ny valopy iray vodiondry ary ny 7 ambiny ireo sakeliny 7. Ny sakeliny 7 dia tsy azo iadiam-barotra ihany koa.

Misy tokoa ny mpiady varotra vodiondry fa io dia ny fahaizan'ny mpikabary mandresy lahatra ny havan-drazazavavy no hisian'ny ady varotra na tsia, ary mety hisy teny toy izao hivoaka hoe: "izahay tsy hividy olona, ary ianareo koa tsy hivarotra olona", zon'ny fianakavian-drazazavavy ny manokatra ny valopy misy ny vodiondry ary isainy, eo no raikitra ny ady varotra. Izao kosa anefa raha vao sokafana ny valopy misy ny vodiondry dia azon'ny mpikabarin'drazazalahy atao ny milaza fa, raha toa ka tsy hainareo ny mizara an'iny dia aleo izahay no hizara azy fa tsy sanatria hampiady anareo mianakavy no antony hahatongavanay eto fa handrindra fihavanana sy hanori-tokantrano, miampy ohabolana sy hainteny isan-karazany io mba handresy lahatra ireo tompon-trano. Koa raha vao raikitra ny fanokafana valopy, ka mandeha ny ady varotra dia efa tokony hiomana ny mpikabarin-drazazalahy fa raha vao raikitra ny fizarana dia tsy maintsy mahazo amin'iny daholo izay olona manatrika eo rehetra na avy @ lehilahy na avy @ vehivavy, ary ny zaza vao minono hatramin'ny antitra indrindra.

Tokony hiomana amin'ny vola madinika izany ny mpikabarin-drazazalahy, fa tsy azo atao ny mitondra ny vodiondry mivoaka ny trano atakalo fa dia tsy maintsy izy no mitady izay fomba hizarana an'iny eo imason'ny rehetra, izay fizarana izay no midika fa ampy tokoa ilay vola natokana ho solombodiondry, ampy mizara fa tsy voatery hitovy ny anjaran’ny tsirairay, ary matetika dia ny mpikabary avy amin-drazazalahy no mahazo betsaka indrindra. Ary hamafisina @ hoe : hitanareo fa tsy mba manao tombo sy hala ny zanakay lahy satria mitovy na ny havan’ny lahy na ny havan’ny vavy.

Momba ny adin’ireo sekoly mampianatra kabary indray dia tsy miafina izy io ho an’izay manana io toe-tsaina io.Ny tenako moa dia anisan’ny efa nianatra ary nampianatra, fa dia misy tokoa ny fifanenjehana eo @ fikambanana maro samihafa, toy nyfikambanana nisy ahy izao dia nolazaina fa mpanimba tsena satria maimaim-poana ny saram-pianarana na ny fandehanana mikabary, fa ny sara-dalana sy ny sakafo kosa dia anjaran’izay maka hikabary.

Amiko ny mpikabary manao toy izay voalazan’ny jentilisa dia tsy mpikabary ireny fa azo lazaina hoe : Mpanao adin’androvolahy, masiaka ambo an-kadivory ka mandany zara ny ao an-tanana. Tsy ao an-tsainy mantsy fa mety hiteraka zavatra hafa ny fihetsika nasehony rehefa tonga any an-tokantranony izy roa kely(sanatria anie izany)

Misaotra an’i Jentilisa nizara, ary nanao fanamarihana.
Mirary soa jentilisa


B. Avy amin'ny namana iray ao amin'ny vondrona yahoogroupes hoe serasera:


Miarahaba ny mpisera rehetra,
Tena lalina be ny zavatra apetrak'i Jentilisa eto ka tsy naharitra ny tena ny tsy isaotra azy. Tena mila fandalinana lalina tokoa ny momba ny fomba amam-panao. Tsara fantarina tokoa ny hevitr'izy ireny, ijerena ny soatoavina malagasy. Izay hita fa tsy mety dia ariana.

 
Ho antsika tokoa ny teny dia manan-tompo, natao ho an'ny zokiolona ny ray aman-dreny. Manan-jina ka tsy mety ny miteniteny foana sao mandratra olona, na misalovana ny anjaran'ny sasany ka dia sorohina ety am-piandohana amin'ny alalan'ny fialan-tsiny. Misy fanetren-tena tokoa izany. Tsy manao rano dingain'ny zinga velively e.


Ary io no tena adinontsika Malagasy fa manana io toe-tsaina tia fanetren-tena io isika. Tsy lavorary akory isika na izany aza. Fa fifampitaizana no atao e. Tsy resaka arifenitra io (protocole) fa tena fanajana, fanomezana hasina ny tsirairay mihaino anao.

Olombelona tahaka ny olombelona rehetra anefa isika ka mba misy koa ao amintsika ao te hanambony tena, te hizahozaho. Fianarana ny zava-drehetra, ka izao no fiteninay  hoe : "Mianara any am-pilalaovana, fa aza milalao ao am-pianarana" ! Isika Malagasy koa moa dedaka indraindray ka maka tahaka be fahantany fotsiny dia manjary manaonao foana (io ilay mimitisme e), manao randrana tsy manendrika ny tena fa lamaody hono e. Ny mpanao politika sy ny mpanao gazety indraindray tratran'io "mimitisme" io. Randjazanamihoatra dia niteny hoe "Mahavariana isika Malagasy, fa isika no manahaka ny vahiny, fa tsy ny vahiny no maka volontany".


Fa ny tenako dia isan'ireo mpametraka fanontaniana hoe : "Mety ve raha tovolahy na tovovavy vao misandratra ( 20 taona any aho any) no mikabary am-panambadiana ?"  Tokony hiandry ny fotoanany izy. Mahafinaritra tokoa ny mahita zazakely manao tsianjery kabary, mitehaka be isika. Fampisehoana kolontsaina iny. Fa zava-dehibe izany fanambadiana izany fa tsy fampisehoana, ny kabary am-panambadiana dia tena misy lanjany tsy ny zavatra ho tenenina ihany fa ilay olona miteny koa. Koa tokony asiana an-tanan-tohatra ny momba io. Misy hasina fototra itoviantsika rehetra amin'ny maha-olona. Fa ny hasin'ny dada sy neny tsy mitovy ny ahy zanaka, mba fijeriko azy.

Mbola mety ifanakalozantsika eto momba ny hoe : ray amandreny sy raiamandreny sns.... Fianakaviana roa no afatotry ny fifankatiavana ireo mpifamofo. Koa hafatra be no ampitaina. Tenierana no atao. Koa aoka tsy ho fombafomba fotsiny na endriky ivelany e. Dia manjary hatrany ambavahady avy no mifampiandry. Toa mampihomehy ihany izy izany. Raha hiteny ny mpangataka hoe : "...vory ve ny mpianakavy e", dia mamaly ny mpamoaka hoe : "...mbola mampirina trano izahay fa andraso ao ivelany ao e !!!...". I Jentilisa aza niteny momba ny portable !!!
Izay no mba tsetsatsetsa tsy aritra e. Aloavy izay mangidy e.
Tahian'Andriamanitra. Ho Herinandro Masina tsara daholo ho an'izay manao izany.
XXXXX Liva


D. Olona iray hafa ao amin'ilay vondrona nolazaiko etsy ambony ihany


manahoana  

Hoy Jentilisa hoe dia tena @ "fanalikana" olona no hitany. Io moa @ kabary, fa voamariko koa, fa rahefa mijery sarimihetsika malagasy aho (sy izay miara-mijery eo) dia vaky vava fa dia feno resaka mivindavinda sy mifampivazavaza sy mifanabaty @ireto tantara. Dia variana hoe, ataok'ity ny firesahana, ny fifampitondra-tena, ary indrindra koa @ kabary MALAGASY dia feno fialan-tsiny sy fialam-pondro ary fifandeferana sy fifanajana, ary rahefa tena hoe "hamely" akory aza @ kabary, dia atao anatina teny kisarisary faran'izay lalina sy mihodina... 

Dia izao indray, averina sy ahitatra ny resaka.

Dia variana ho'a zahay fa rahefa mijery sarimihetsika frantsay, na koa ohatra ny boky avy any frantsa, dia ny vazavaza sy esoeso sy fanapepoana dia be dia be. Io aloha dia avoitrako lava amin-janako, ary efa takany tsara, ohatra rahefa mijery ireny Bill Cosby na Fresh Prince taloha ireny izy, dia avy eo boky na film frantsay, koa na ohatra fotsiny hoe Boule et Bill.  ka dia tsoriko aloha ny ahy, fa raha ny fahitako azy dia "francisé" ny any amintsika, fa dia izay izany... Enga anie ny tanora aty aoriana @izao fanatontoloana izao, mba mahatakatra mihoatra ny ataon'ireto "francisé" ireto..  mandrapiresaka

 haja


E. Mbola afaka manohy sy maneho ny hevitrareo avokoa ianareo rehetra: marihina fa tao amin'ny Facebook dia nisy amin'izay ny nahasahy naneho ny heviny ny tsy fankasitrahany mihitsy ny kabary satria maro ny tokantrano efa ravan'ny mpikabary sy ny domberina avy amin'ilay andro iray niova ho faka mangidy tamin'olona. Ninia nangina ireo noho ny tahotra lazaina ho mpanevateva ny fomba saingy fotoana iray nanararaotany nilazany ny alahelony ilay lahatsoratra avy eo satria tokony hisy hatrany araka ny fahalalahan'ny tsirairay ny mamoaka izay ao am-pony.


F. Azo atao ve ny mampisaina ny rehetra/tsirairay amin'izay mety ho fiantraikan'ny fomba mampisaraka na mampiady? Ahoana ny tokony atao hampivoarana ilay fomba hiara-dalana amin'ny fandrosoana sa tsy azo atao mihitsy fa ny tamin'ny taonjato maromaro lasa ihany no tsy maintsy arahina?


Jentilisa, Alatsinainy 18 avrily 2011 amin'ny 23:50

Manjakamiadana an-tsary

2010-11-06 @ 22:33 in Kolontsaina

Nitsidika ny Lapan'i Manjakamiadana ny tena ny andron'ny Asabotsy 6 novambra 2010 izay androm-pahatsiarovana azy rahateo. Maimaipoana ny fankanesana teny sy ny fahazoana naka sary ka dia nanararaotra ny tena. Indreto sary vitsivitsy no aseho anareo.

 

Ireo olona liana nijery fandaharana tamin'ny fanarenana ny rova araka ny ahafantarana azy. 

 

Ny eo an-tokonam-baravarana kosa. 

 

Endrika andohalambo eny

 

Varavarambe mivoaka miatsinanana

 

Ahitana an'i Mahitsielafanjaka

 

Avaratra kosa ny tranomanara 

 

Na ny Lapan'Andafiavaratra 

 

Nakisaka ho avaratra atsinanana ny Fitomiandalana raha atsinanan'ny Lapa taloha 

 

Aseho avy amin'ny Andohalambo indray 

 

Fa ny any atsimo manakory? 

 

Fanatazan-drano hatraty anatiny

 

Nasiana tohatra hatrao anatiny rihana voalohany

 

Lafiny atsinanana

 

Ary ny vavahady andrefan'i Mahitsielafanjaka 

Indray andro, hono, Asaramanitra

2010-09-09 @ 23:36 in Kolontsaina

Mety ho gaga ny maro raha manoratra Asaramanitra amin'ity antenantenan'andro ny tena. Misy antony kely anefa raha nanoratra aho na dia teo dia teo aza ny hakamoana tsy te-hanoratra. Maro sahady ny toe-draharaha sy zava-nitranga teto amin'ny firenena saingy tsy voasoratro ireny, toy ny fahalasanana artista fanta-daza. Tsy midika velively izany fa tsinontsinona ireny na zava-bitika eto amin'ny firenena. Ny antsipirian-javatra tsy sahin'ny gazety natao lohateny lehibe aza no tena maresaka eto amin'ny tanàna rehefa mifampiresaka ny olona nanodidina ahy, dia ilay horakoraka nitranga tao amin'ny Lapan'ny kolontsaina. Saingy ialàna tsiny indrindra raha tsy manitatra loatra momba iny raharaha iny aho fa anjaran'ny tsirairay no mamakafaka. Tsy manakana anao tsy hiady hevitra koa anefa izany.

 
Hiverina any amin'ny ambaran'ny lohateny amin'izay aho. Raha teo amin'ny kolontsaina Malagasy (Merina angamba no marina kokoa) dia ny andro fahasivy amin'ny volana fahasivy tamin'ity taona ity no Asaramanitra Merina izay arahin'Anosimanjaka amin'izao fotoana izao raha ny reko, nefa, tamin'ny namakiako ny boky fahiny momba an'Andrianampoinimerina dia ny Fandroana ihany koa izay notapahiny hankalazain'ny rehetra teo ambany fahefany. Ny tsaroako indrindra manko dia nifanindry amin'ny Eidy Miozolomana mandrakariva io Fandroana na Asaramanitra nankalazaina teto Afovoantany io. Nisy ny nametraka na nampiely andro hafa ho Alahamadibe, ary nomena vahana tamin'ny haino aman-jery tamin'ny fotoan'androny (martsa-Avrily), saingy tsy nandresy lahatra ahy loatra ara-pahalalana izany (sady tsy nandresy lahatra ahy ara-pinoana na ara-kolontsaina rahateo). Taombaovao Malagasy tokoa ny Fandroana na ny Asaramanitra, ary nataon'ny taloha nifanindran-dalana tamin'ny taombaovao gregoriana... na dia tsy tena nahazo vahana teto loatra aza io fanisan'andro gregoriana io nialoha ny fanjanahantany.

 
Dia marihiko indray mandeha ihany koa fa nanana ny lanjany tamin'ny Malagasy, indrindra teto afovoantany, io Asaramanitra io fony Faha-Mpanjaka. Tsy anavahana io na kristiana ianao na mpandala ny nentin-drazana fa tamin'io fotoana io no niezaka namonjy ny tany niaviany avokoa ny any am-pielezana rehetra sy izay nila ravinahitra toerana lavitra any fa fihaonan'ny fianakaviana manontolo io... izany hoe samy namonjy ny ambanivohitrany avokoa ny Malagasy tsirairay tamin'izany fotoana izany mba hifety. Mazava loatra fa rehefa vory lanona ny fianakaviana dia misy ny omby vonoina ary makotrokotroka avokoa ny fety any an-tokantrano tsirairay avy any. Hevitro manokana dia niainga avy amin'ity fandroana ity no nahatonga na nampiroborobo ny famadihana amin'izao fotoana izao. Mazava loatra fa raha miteny hoe hevitra aho dia tsy voatery ho izay no marina, nefa avoakako ihany ilay hevitra hifampidinihan'ny rehetra.

 
Tamin'ny voalohany dia manaraka ny volana ny fanavahana ny andro sy ny volana ka tsy atao mahagaga raha niovaova ny toerana misy ilay taombaovao. Tsy hatao hamaky loha antsika ny fanazavana lava fa hevero ho toy ny fifindrafindran'ny fetin'ny Paska eo amin'ny Kristiana no mba ifindrafindran'ny taombaovao ihany koa tamin'izany fotoana izany. Ny somary iavahany dia eo amin'ny fotoanan'ny Paska izay eo anelanelan'ny tapaky ny volana martsa ka hatramin'ny tapaky ny volana Aprily mandrakariva mandavataona, ny taombaovao na ny Eidy kosa tsy voafetra tahaka izany fa dia jerena fotsiny hoe aiza no tsinana ny volana manaraka ny antokon-kintana Alahamady dia izay. Nosimbain-dRanavalona fahatelo izany tamin'ny fotoana nanjakany ka navadiny ho fotoana raikitra (manaraka ny fanisana gregoriana) ny fanatontosana ny Taombaovao malagasy (merina) dia ny 22 novambra izany. Narahin'ny ambanilanitra mandrakariva ireny fanapahan'ny Andriamanjaka ireny, na dia mety ho nanova zavatra be dia be teo amin'ny fisainan'ny vahoaka aza.

 
Mariho mazava tsara fa nandritra ny fankalazana ny taombaovao (fetin'ny fandroana) farany nialoha ny fanjanahantany indrindra (22 novambra 1895) no tena niroborobo ny fikomiana nataon'ny Menalamba voalohany hanoherana ny vazaha ka namonoany izay vazaha rehetra hitany sy ireo namofompofona vazaha rehetra. Tsotra ny antony nahamora ny famelona izany fikomiana izany, eo avokoa no tafavory ny fianakaviana ary amin'ny taombaovao ihany koa no be ny olona manao voady. Noho ny fahatsapana anefa fa voahitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena (Hasin'Andriamanjaka eto) dia be ireo mahatsapa tena ho manana adidy amin'ny fanosehana ny mpanjanatany, toy ny hoe tsy afa-mifaly kosa aho raha ziogaina ny fireneko. Ny fotoana tahaka ireny ihany koa no mora ifanondroan'izay mitolona rehetra hanombohan-draharaha, sady fotoama-panombohan-draharaha indrindra ny fotoana tahaka ireny. Nisy koa moa no nilaza (Stephen Ellis) fa nandritra ny taombaovao malagasy manara-bolana ihany koa no namelomana ny fikomiana 29 martsa 1947 fa aleo ho anjaran'ny mpahay no manamarina na mandiso izany.

 
Fa inona kosa no nahalefy ity fetin'ny fandroana ity? Fantatry ny Frantsay fa ity taombaovao ity no karazana fety lehibe indrindra ho an'ny Malagasy (Anivontany indrindra indrindra) ka notapahiny fa hotontosaina isaky ny 14 Jolay isantaona ny fankalazana izany Fandroana izany. Ataoko fa tsy mila hazavaina amintsika ny hafetsena nananan'ny mpanjanatany tamin'izany lalàna napetraka izany. Raha somary tsinjovina ihany koa ny antonta-kevitra nisy dia nanaiky ihany ny maro saingy nisy hatrany ny nanao fandroana araka ny andro tondroin'ny mpahay azy an-tsokosoko, niova endrika ny antsoina hoe famadihana ka tsy ireo havana nilevina an-toeran-kafa no nafindra hiaraka amin'ny razambeny any amin'ny fasandrazany fa ireo razana ampasandrazana hatrany no nofonosina dia naverina tamin'ny toerana nametrahana azy. Dia izay ilay heveriko hoe nataon'ny mpandala nentin-drazana hiofo ho famadihana ilay fandroana tamin'ny andro fahiny saingy tsy dia an-kiteniteny loatra moa izany. Fantatry ny Frantsay ihany ny fisian'ny famadihana ka nametrak lalàna indray ry zareo fa amin'ny ririnina (efa fantatry ny mpanao azy hoe volana inona ka hatramin'ny volana inona moa izany) ihany no azo hanaovana ity famadihana ity. Dia jereo fa ny famadihana no lasa fotoana ifamorian'ny mpianakavy hatrany lavitra any, ary mampasiaka ny sasany mihitsy ny tsy fanaovana adidy amin'io fotoana io na dia andaniam-bola tokoa aza ny fanatontosana azy.

 
Fa somary zendana ihany ny tena, satria eo indrindra isika izao, raha nisy ny antso nataon'i Avoko hanaovana horakoraka ny mitataovovonan'ny zoma 10 Aogositra, satria mifanindry amin'ny taombaovao io fotoana niantsoany ny rehetra io, ary nolazainy ihany koa moa fa fotoana ivavahan'ny rehetra. Mampahatsiahy vinaninany ilay nanombohan'ny Menalamba. Saingy na eo izany na tsia dia Miarahaba ny rehetra ary nahatratra ity Taombaovao Malagasy ity, ary miarahaba ny Miozolomana amin'ny fankalazany ny Eidy... Sa tsy azoko atao izany?


Jentilisa, Zoma 10 Aogositra Septambra 2010 amin'ny 01: 35

 

Mafana fo indray

2010-06-01 @ 22:31 in Kolontsaina

Ainga namelombelona ny fon'ny mpitolona indray ny hiran'Ny sakelidalana mitondra ny lohateny hoe Tao anatin'ny tolona. Toa mifanaraka amin'ny zavamisy iainana anatin'ny tolona indrindra manko ny tonokira ka ireo tena mpitolona ihany no mahatsapa ny halehibeny sy ny fampaherezana ao anatiny. Toy ireny miaina tanteraka ao anatin'ny vanim-potoanan'ny 1947 ireny indrindra isika raha henoina ny tonokira satria hira natokana ho an'ny tia tanindrazana 1947 izy iny. Indro jerentsika sy vakiantsika anie ilay hira nampavitribitrika tampoka iny rehefa avy nidiran'ny miaramila efa-dahy ny Kianjan'ny Finoana teo amin'ny Magro Ankorondrano (Somary nahitsiko eo amin'ny lahatsoratra ambany).


   Fa tao anaty aizim-pito
   Nandrenesana antsoantso
   Feo nihiaka nikiaka fahafahana e!
   Injao manakoako
   Ren'ny tany manako eran-danitra e!
   Ny kotroky ny basy
   Nefa tsy kivy
     tsy kivy
     Tsy kivy 
     tsy miato
   ireo MALAGASY MITOLONA.

Fa tao anaty aizim-pito
Nisy ra nipatrapatraka
Ny fahafahany mantsy no zahany
madio mangatsakatsaka
Nefa ra mikoriana mamonto tony tany
no setrin'izany
Fa tanam-polo
ihany
no hany fiadiany
Hahatomombana izay notakiany

   Fa iry ery an-danitra 
   ilay masoandro
   Efa lasa tara-pahafahana
   Ireo lavo
   Efa samy ravo
   Ny fanahin'ireo maritiora mifaly
   Ny todin'ny ra niombonana mantsy
   tsy azo takonana intsony


Mazava loatra fa tsy hira vahiny nindramina io fa hira malagasy, nanana ny hakantony sy ny aingam-panahiny. Efa impiry nisedra basy moa ireo mpitolona ireo? Fa impiry no namaly tamin'ny tora-bato ireo olona noenjehina ireo? izany tokoa no hoe tanam-polo no hany fiadiany araka ny hira, impiry nandre feom-basy entina nampihorohoroana izy ireo fa tsy kivy sy tsy niato ireo Malagasy mitolona e! Hira avy amin'ireo sarambamben'ny mpitolona raha toa ka efa elaela ihany no nisy nampifandray ity hira ity amin'ny tolona izay atrehiny.

Fa angaha izay ihany? Moa va efa nahita ny lahatsarin'izy io ianareo? Izay efa nahita tamin'ny fahitalavi-pirenena tamin'ny androny moa mahatsiaro ny toerana nandraiketana azy ve? Trano rava eny ambanivohitra eny no nanatontosany azy. Ary ireo mpitolona mavitrika kosa aiza ho aiza no mihira azy? Eo anoloan'ny trano ravan'ny mpandroba indrindra, toa vao maika nampisy fietanam-po bebe kokoa. Trano rava toa endriky ny firenena rava, (jereo ny rohy) trano gasy raha jerena endriky ny firenena malagasy. Fa tao anatin'io trano rava io indrindra no anaovan'ny mpitolona ny hiaka hitadiavany ny fahafahana sy ny fitakiany hiverenana amin'ny ara-dalàna. Tsy tokony hahatsiaro menatra ve ny mpitondra ny basy raha mandre izao hira izao indrindra fa miverimberina io hira io? Angamba mety hosivanina tsy handeha amin'ny haino aman-jery tahaka ilay "Izay mihitsy" raha izao no mitohy. 
 
 

Efa akaiky hoe ny mondial 2010 ka ho adinoin'ny lehilahy ny tolona? Ny vehivavy aloha no tena maro an'isa amin'ny mpitolona ka raha toa mahazaka tsy mijery mondial ny mpitam-piadiana dia mety hahafinaritra ny fandehan'ny raharaha. Sa mba ahoana ny hevitrao?
 
 

Waving Flag - Hira ho an'ny mpitolona

2010-04-25 @ 21:54 in Kolontsaina

Na dia mbola anaty krizy aza isika amin'izao fotoana izao ny tany kosa dia miodikodina hatrany tsy mahalala izany. Mihamanatona ny fiadiana ny ho tompondaka erantany amin'ny baolina fandaka (teny iray tiako satria mitondra kitra ho an'ny Malagasy hatrany ny fitenenana azy io ho baolina kitra). Ny mahavariana ity tononkira iray hatolotra ny mpamaky ity dia mba tahaka ireny hoe mifandraika amin'ny zavamisy eto Madagasikara ihany ny zavatra lazain'ity hira mitondra ny lohateny hoe Wavin' flag an'i K'naan ity. Adikako mantamanta ho teny malagasy eto ny sasany amin'ilay tononkira haminavinantsika ny mety ho heviny:

 
 
Ary dia mitolona isika, miady hifampihinana
ary mieritreritra hoe rahoviana ho ho afaka
Ary dia naharitra niandry isika, ho amin'ity andro ity
Ary tsy ho ela intsony ka hiteny isika hoe

Rehefa miha-antitra aho dia hihamatanjaka
Ho antsoiny hoe fahafahana aho, tahaka ny saina mihofahofa
Ary dia hiverin(a) izany, hiverin(a) izany, hiverin(a) izany
Rehefa miha-antitra aho dia hihamatanjaka
Ho antsoiny hoe fahafahana aho, tahaka ny saina mihofahofa
Ary dia hiverin(a) izany, hiverin(a) izany, hiverin(a) izany

Ady maro tokoa, isa maro manasaraka (manatantavana),
manome fampanantenana ho anay, mandao anay hahantra, (na halahelo)
henoko ireo niteny hoe, ny fitiavana no lalana
ny fitiavana no vahaolana, izany no nolazainy
Nefa jereo ity ataony anay, nanaovany anay ho mpino
Niady ny adiny izahay, dia nandiso fanantenana anay ry zareo avy eo,
(Dia) Miezaka ny hifehy anay, fa tsy ho voatazony izahay,
Fa mbola mandroso tahaka ny Barea mpiady

Saingy mitolona isika, miady mifampihinana...

Ary dia hihira ity ny rehetra.


Dia lasa ny saiko manao hoe iza re no ho afaka ny handrindra ilay hira ho amin'ny teny malagasy kanto e?


Ny Tolona an-tononkalo

2010-01-31 @ 16:14 in Kolontsaina

Tsy dia maro ny tononkalon'ny tolona ary mampieritreritra aza indraindray hoe tankina hatreo angaha ny aingam-panahin'ny mpanoratra Malagasy no tsy dia ahitana tononkalo na hira fitolomana ankoatra ny "Iny Lalana Iny" izao toe-draharaha misy eto Madagasikara izao? Koa hanentsenana ny banga dia hanolotra manokana ireo tononkalo notsimponiko teny ho eny aho:


NITSO-DRANO

Ny sainao nikotrika
Ny tananao namotika
Fananam-pirenena
Sy harena sesehena

Ny vavanao nibaiko
Ny tongotrao nijaiko
handrava izay nijoro
nojerena an-tanam-polo

Moa tsy handatsa havana
Raha fitiavan-tanindrazana
No hadika sotasota
Moa tsy heloka sy ota

Mpandroba efa vonona
Lazaina fa mpitolona
Ka ny voina an-tsitra-po
No natao mahery fo

Fa ianao dia ianao indrindra
No nanainga tongotra namindra
nitso-drano hoe: mandehana!
Tanteraho ny fanimbana

Rakotobenja Léonard Efraïma


TSY IANAO

Tsy ianao no olona ory ry miaritra ny ngidiny
Tsy ianao mihitsy akory no lazaina ho faraidiny
Tsy ianao manao ny marina nefa indrisy fa sahirana
Na ianao izay te hiarina fa tsy manana hamikirana.

Tsy ianao manjoni-dava f'efa reraky ny tolona,
Na ianao mikombom-bava nony injay enjehin'olona.
Tsy ianao izay matin-kitsaka nefa tsy afaka mamaly
Tsy ianao mamitsapitsaka, matim-bono sy mijaly.

Fa ny farafahoriana dia ny manam-pahefana
Izay mampiasa habibiana fa ambonin'ny lalàna,
Satria senton'ny mpitolona no mozika fitsinjahany,
Ary ranomason'olona nomba hiram-pivavahany.

Ireo no farafahoriana tsy mahita fiadanana.
Ireo no ndeha hitomaniana f'efa maty am-pitsanganana.
Maty fa tsy vazivazy, vatana mijoro sisa,
Ka inoana fa tsy ho azy izany atao hoe paradisa.

Sedera Ravalison


AKON'ANTSAHAMANITRA

Toa tsinjoko misokatra ny lanitra, mitsiky indray ny ampitso
Tsy ho resinao ny marina, Andriamanitra tsy ho diso
Ny fahanginanay izay mino, tsy midika ho faharesena
Fa izahay na tsy miteny, miaina tokim-pamonjena

Araho anie ity tantara, tena nisy sy niainana sanatria tsy anganongano
Very ny asa fivelomana, fafy lainga, fandrahonana,maso be manganohano
Tsy zonao ny miteny, na hoe hilaza hevitra, sa ianao te ho voasambotra ?
Migadragadra fahatany, tsy afaka hiantso fahamarinana na koa mba hisarangotra

Miandrandra fahafahana sy tokim-piadanana isika malagasy,
Ka somary very hevitra sy toa niraviravy tanana ary koa nangasihasy
Fandrobana, fandravana,herisetra,mahatahotra ary tena tsy mitsitsy
Ireo no rivotra nafafy izay nataon-dralilison, ry Sarla, ny FIS

Nangina koa ny fiangonana, F'angaha tsy misy fahavononana?
Maromaro tsy hay tononina, no kivy ketraka sy tsy nahita fiononana,
Ary tsoriko etoana fa toa tsy nanana hery akory hamonjena fiangonana,
Toa resy ê, ka hany hery dia miandry eto ny fotoana izay higadonany

Ka hafaliana anie ny anay, nisentosento ravoravo fa toa misokatra ny lanitra
Raha vao nahare sy nilazana, fa isan-kasabotsy dia hofenoina Antsahamanitra
Hiaraka hanandra-bavaka, hiara-hihira fiderana, hiantso indray ilay Ray tsy To
Hijery ireto malagasy, trotraky ny tsy rariny ka miandrandra Indra Fo

Izaho mino, isika mino fa ny tanan'Andriamanitra dia mamikitra tsy manadino
Tan-Tsorony matanjaka, tsy hita maso, tsy mba raraka no nomeny antsika mino
Ka na basy marovava, miaramila sy forongony, no miatrana hanandevo vonona hamono
Andriamanitra no Niaro sy Niambina ny isan-tokony,tena tsapa tsy honohono

Ka andeha re ry Antananarivo, tsy resy ianao, fa mifohaza ary aza mety lao
Raiso ny baibolinao, ahondreho ny lohanao, antsoy ny Tompo izao dia zao,
Manokana ianao fotoana, isan'andro isan'ora, ka asandratonao ny Hanitra
Ankasitrahan'ilay Tompo,mandra-piandry ny sabotsy ho feno indray Antsahamanitra%

Tranainy, Afrika 20 janvier 2010 à 09H16


'ZAHAY

'Zahay dia tsy maintsy mamaky bantsilana
ireo izay tsy mety ka mila hotenenina.
Tsy tantinay mantsy raha toa mitongilana
Irony vilany kanefa tsy harenina.

'Zahay tsy hipetraka intsony ho mpitazana
Ny olona adala efa manary lamba.
Ho anay tena masina ny tanindrazana,
Tsy ampitantanina olona jamba.

'Zahay tsy hijanona intsony ho mpijery
Na hoe mpitehaka fotsiny ihany
F'ilay Gasikara tsy foinay ho very,
Tsy tianay hiverina ho zanatany.

'Zahay tsy hijanona intsony ho mpifatotra;
Alanay ny tady nangeja ny lasy.
Ny anay ny safidy, safidy efa matotra:
"Tsy mila mpanjanaka ny Malagasy".

Dadan'i Zina


MBA HO IRAY...

Mba ho iray no tarigetra
Sady vavaky ny mpino;
Saingy ny tsy marin-toetra
Dia mikimpy, manadino
Sy maneso ireo mivonona
Hampiray sy hampihavana;
Nefa mbola sahy mitonona,
Ho mpitory ny fitiavana.

Izany ve no hoe mpivavaka
Tena mendrika hoekena?
Sao mpamarina any an-davaka
Sy mpambotry firenena?

Mitomany anao ny lanitra
Ry minia mialangalana;
Ianao izay miantso an'Andriamanitra
Nefa dia mivily lalana.
Mitomany anao satria
Ny Mpaminany tena mendrika,
Sahy mijoro, miara-dia
Fa tsy mba miafinafin'endrika.

Sedera Ravalison


HANDRESY

Tsy maintsy misy zavatra mankarary fo
ety an-tany ety
Tsy maintsy misy ady mahavalaka ny loha
sy tena mankahia

Ao ny velam-pandrika, ao ny sotasota
hanakana ny dia
Ao ny fivadihana sy ny velina kanota
ataon'ireo tsy tia.

F'izao, izay mino sy matoky
an'Ilay Kristy
Handresy sy ho voasoratra amin'ny bokin'
ny fiainana doria.

Rakotomalala Rivoniaina Rija


REHEFA...

Rehefa anaovana herisetra ny olona ry fiangonana,
Na enjehina isan'andro sy iharam-pandrahonana;
Aminay ny toy izany dia porofo iray mazava
F'Andriamanitra mihitsy no efa notampenam-bava.

Rehefa aiditra am-ponja sady anaovana antsonjay
Ny namana mpanao gazety manapotsitra ny vay;
Aminay ny toy izany dia maneho sy manambara:
Didy jadona no iainana eto Madagasikara

Rehefa ampiharina isan'andro ny karazana amboletra:
Ka ny manam-pahefana lasa rain'ny herisetra;
Aminay ny toy izany dia midika tsotr'izao
F'ianao mitonona ho mpitondra no efa "tsisy kalitao"

Rehefa hita miharihary f'efa lo ny fitondrana,
Fa ny olona tsy marina no arovan'ny lalàna;
Aminay ny toy izany fitondrana tsy azo ekena:
Mila arodana avy hatrany fa manimba firenena.

Sedera Ravalison (13 janoary 2010)


Marihina fa ireo rehetra ireo dia nalaina tao amin'ny gazety Tia Tanindrazana nivoaka nandritra ity volana janoary 2010 hivalona ity avokoa. Raha te-hametraka hevitra na hanohy ny aingam-panahin'ireo mpanoratra ireo ianao dia tsarovy ny mametraka izay soratanao amina vakiraoka (brouillon) aloha; avy eo dia ankotrihinao ny takelaka (actualiser) dia apetrakao amin'ny toerana fametrahana azy ny lahatsoratrao ary feboinao avokoa izay tokony fenoina dia mirary aho fa tsy ho tratran'ilay filazana hoe tsy mahazo alalana hametraka hevitra iny ianao.



jentilisa, alahady 31 janoary 2010 amin'ny 18:18

Tsy maintsy hofitahiko ny foko

2008-11-21 @ 08:32 in Kolontsaina

Tsy maintsy hofitahiko ny foko
hanalavirako toloko... izay misoko
Fa sao raha tsy misy intsony izay ho antsoiko
Dia tsy hety hilamina ny saiko
Dia ho lany mondro-kery
na dia tratry ny an-tery aza.

Tsy maintsy hofitahiko ny foko
sao very foana...toa foana ny anoloana
sahala ny tokamanirery mandalo efi-babangoana
misy ihany fa tsy ilaiko
fa raha tsiahy no hanentohento
lasa tsy nahy anie ny sento e!

Dia ny saiko no hibaiko ny foko ampiesonina
hanadio 'ty ratrako miserana;
ny maraina andrandraina tsy afaka holevonina,
hoy ny fanantenam-piheverana
Amin'izay ny tenako ihany no hamitaka ahy
dia hioitra amin'ny fahalavoana raha mbola lehilahy.

 

jentilisa - 07 aogositra 1993 -

Resaka dihy: Viva VIVA

2008-11-20 @ 07:42 in Kolontsaina

Tena niniana natao ny teny verindroa amin'ny lohateny fa tsy hoe misy fahadisoana tsy akory. Ankehitriny moa malaza ihany ny fangalaran-tahaka eo amin'ny samy haino amanjery. Mampihomehy moa fa dia misy sarimihetsika iray sady mandeha ao amin'ny toby fandefasan-tsary iray no mandeha ao amin'ny iray hafa ihany koa, ny fatratra dia saiky ampitoviana mihitsy ny ora hanombohany. Ny mahasamihafa azy fotsiny avy eo dia ny halavan'ny dokambarotra azon'ny tsirairay. Midika izany fa mifampitsikilo ry zareo ary tsy atao mahagaga raha samy tsy misy mametraka ny lohatenin-tsarimihetsikany ny tsirairay sao manko ny an'ny hafa no lasa mialoha.

Amin'izao fotoana izao indray dia eo amin'ny fandaharana mampanao fifaninanana mandihy indray no ifandroritan'ny toby mpandefa sary roa dia ny VIVA sy ny rta izany. Saiky diso ny fijeriko tamin'ny voalohany satria nihevitra aho fa ny tv record malaza manokana amin'ny hira sy ny dihy trôpikaly no tadiavin'ny rta tsindriana. Rehefa miteny hoe trôpikaly moa dia raiso hoe ny fampandihizana fitombenana (mandratra ny fiteniko azy saingy izay tsinona ilay izy) no tena itsarana ilay dihy. Gaga ihany aho hoe fa inona koa no nahataitra ny rta mikendry karazana dihy tokana hanambazana volabe ny mpandresy ity (hay ve i jentilisa ity mbola mijery rta e? eny, amin'ny kidaona maraina tsindraindray iny fa aza anontaniana pazzapa aho satria noho ilay tele jeren'ny ao ampiasana nefa eo anoloan'ny birao iasako eo no apetraka ilay vatam-pampitantsary no ahitako azy tsy fidiny).

Voalohany, na ahoana na ahoana tsy maintsy ho maro no hijery ilay fandaharana satria manintona ny kely sy ny lehibe hatrany io resaka maoja sy ny mifanakaiky aminy io. Tsy atao mahagaga intsony raha voalohan'ny pejy tamin'ny midi flash ohatra dia efa Union na couples latsaka fahefany ny sary hita eo. Horaka madinika moa ny an'ny mpianatra nahita ilay filahiana sy ny bonga miaraka aminy miharihary amin'ny gazety natokana ho an'ny rehetra ity, sarim-piraisam-batana ahitana ny vatana manontolo sisa andrasana ho hita amin'ny takelaka voalohany dia resintsika daholo ny firenena tandrefana milaza azy ho tena manana ny fahalalahana ireo satria gazety ho an'ny mpianakavy io. Tena miaiky aho tamin'iny taranja iny fa tena manana fisainan'antitra tsy liam-pandrosoana raha izay no atao hoe fandrosoana ampitaina amin'ny tanorantsika.

Io indray i jentilisa fa mivadi-dresaka, avereno amin'ny resaka dihy fa tsy eo no mampihevi-tena ho soara eo. Kanjo hitako ihany fa hay mampanao fifaninanana dihy amin'ny karazan-dihy maro ny ao amin'ny televiziona VIVA. Hita ao avokoa ny dihy malagasy (tafiditra ao ny dihy amin'ny hiragasy) sy vahiny maro, ny endrika dihy taloha sy ny ankehitriny, fanao eny andalambe na eny an-tsehatra na anaty efitrano mihaja ihany koa, samy manana ny tandrifiny avokoa. Vao eo amin'ny fifanintsanana avokoa moa ireo mpifaninana amin'izao fotoana izao na ho an'ny andaniny na ho an'ny ankilany. Ho an'izay tia dihy na tia ny mijery dihy aloha dia hahazo fahafaham-po tokoa amin'ny fandaharan'ny VIVA STAR io. Samy mba manana ny karazan-dihy mahafinaritra azy eo e! Misy ny dihy ho an'olo-tokana na olon-droa na andiany ihany koa ary azo heverina ho mifanahantsahana ratsy eo ihany ny isan'ny lahy sy ny vavy.

Fa ny an'ny rta raha dinihiko resaka famotehana ny hatsaran'ny fandaharan'ny toby miezaka ny hahazo mpijery ity no tanjona tokana ataony satria mandritra ny firy minitra moa izany no hijery fihodikodina tandrimo fotsiny ianao fa ilay izy mety hoe tandrimo mitsangana na mihohoka na mitsilany ary mihinginingina ihany no hitanao. Nahatsipalotra ilay izy aho fa tena ratsy dia ratsy ny saiko (tsapako mihitsy teo fa ratsy saina ihany aho). Toa varotra sipa ankolaka no fijeriko azy, hisy azy ny vazaha lahy mahita ity fandarahana ity afaka mifantina izay mahay mihetsika hita amin'ny tele, hoy ny haratsian-dohako sady iza indray no tsy efa nandre fa amin'ny fomba ofisialy aloha dia vehivavy malagasy 4000 no nahasahy nanambara ampahibemaso ny faniriany halain'ny vazaha ho vady. Mety tsy ho very anjara ihany koa anefa na izany aza ny lehilahy malagasy mijery azy. Saiky vehivavy ihany manko no mandray anjara amin'ny fandihizana, tsy tadidiko na tsy tsipalotro moa hoe natokana ho an'ny vehivavy ve ity dihy trôpikaly ity fa karazan'ny manjaka tokana aloha ry zareo manangy ao amin'ny rta.

Mahita ny fifaninanan'ny roa tonta moa aho eo amin'ity resaka dihy ity dia miharihary ny safidiko fa io lazain'ny lohateny io. Manana fandaharana tokony hahafinaritra ny VIVA raha tahaka itony. Efa nisy koa moa ny fotoana nifanindry teo amin'ny VIVA sy ny TVM tamin'ny fifaninanana kabary volana vitsivitsy lasa izay ka tsy azoko intsony izay naka tahaka tamin'ny roa tonta na ny fikambanan'ny mpikabary mihitsy no nanatona toby maro ka izy roa no samy nanaiky. Ny fehiny dia hoe: Tsara ny dianareo ry VIVA eto ka tohizo.

Nifidy anao aho

2008-11-08 @ 21:09 in Kolontsaina

Te-hamindra aina aho
  Fa ny afo nandevona likiliky no natolony
Te-hifanapaka amin'ny ivokisako aho
  fa sakafo mafilotra tanaty hanoanana no nomeny
Te-hanoro ny fatsakana nahafa-po ahy aho
  fa namelombelona indrindra izany tanaty hetaheta
Te-hitantara ny fialan-tsasatro aho
  Fa nanadinoana havizanana ny niarahako taminy
Te-hizara ny fahasambarana itohofako aho
  Fa izany no lala-tokana haharetan'ny fiadanam-poko
Dia nifidy anao aho
     Nifidy anao...


Tsy haiko ny hanakombona ny teny fitiavana
  notoriana ho ahy
Tsy efako ny nampiery ny haravoako
  anatrehan'izay rehetra nanoloana ahy
Tsy vatrako ny nampangina ny
  hiram-pifaliana nitosaka sy
    niara-nikoriana tamin'ny rako
Tsy voafehiko ny tsynamindra ny dihim-pihobiana
  nampientanentana ny fo amam-panahiko
Tsy tratrako ny nanafina ny fahafinaretako
  ho ahy samirery
Dia nifidy anao aho hitomboan'ny fahasambarako
     Nifidy anao...

... ... ... ...

Misaotra anao aho ry Kristy jesoa
fa nahazara taminy ny zom-pirenen'ny lanitra


jentilisa 04 septambra 1996

 

matv: Sary ahetsika asolo ny sarimihetsika

2008-10-21 @ 09:25 in Kolontsaina

Tena mifaninana sy mitady fandaharana vaovao hatrany ny haino indrindra fa ny JERY eto Madagasikara. Efa mahazatra antsika ohatra, noho ny hala tahaka avy amin'ny reny malala mba ho amin'ny valo ora alina ny vaovao amin'ny alina amin'ny ankamaroan'ny fahitalavitra eto an-drenivohitra. Efa ifaninanana ihany koa ny mandefa fandaharan-kolotsaina avy eo Madagasikara na  tontosaina eto Madagasikara isaky ny faran'ny herinandro. Fa ity an'ny matv ity indray no hafa.

matv na madagascar television moa no fahitalavitra tsy miankina ara-dalana nijoro voalohany indrindra eto Madagasikara nefa tsy voatery ho izy no be mpanaraka indrindra. Ny rta aloha no manana ny lazany indrindra hatramin'izao araka ny fijeriko azy na dia tsy mpanaraka azy io loatra aza aho. Ny tena marina moa dia tsy mpijery fahitalavitra loatra ankoatra ny vaovao tsindraindray angaha aho. Fa inona aloha ilay hafa ataon'ny madagascar television?

Matetika aorian'ny vaovao alina dia oronantsarimihetsika no alefan'ny televiziona amin'ny ankapobeny. Lahatsaripika tena sariolona sy tanàna nopihina mitohy fa tsy sary novolavolaintanana na tamin'ny alalan'ny computer. Mba ho karazana fitarihandalana ary dia sary ahetsika (déssin animé) indray no hitako nalefan'ny matv tamin'ny zoma sy ny sabotsy alina aorian'ny vaovao. Tsy fantatro ny andro manaraka fa tsikaritra ihany io. Sary ahetsika mpandeha amin'ny ora iasana ihany fa mety tsy ho hitan'ny olondehibe (mihoatra ny 25 taona) noho ny anton-draharaha. Tahaka ny mampihomehy ny mieritreritra ilay izy saingy fantatra tsara kosa fa be amin'ny olondehibe no mpakafy sary ahetsika... fa ilay mahatsikaiky aloha no tena ankafiziny e!

Ny dina ifanaovana

2008-10-17 @ 22:11 in Kolontsaina

Tononkalo iray efa nosoratako tany amin'ny sehatra hafa nefa voafafa no averiko etoana. Efa voasoratra koa ny lohateniny. Eo anila moa dia misy soratra nataoko nanao hoe:"Noho ianao ve no nampiova ahy? Tsia, ny fisainako momba anao sy te-hanana anao". Tsy fantatro ny andro nanaovako io fanamarihana io fa ny tononkalo kosa hovakianareo etsy ambany ihany.

Ny dina ifanaovana

 

Raha amin'ny fiainako ety an-tany
Ianao irery ihany no aina
namelona indray fanahy saiky maina
nanome hery ilay fo nitaraina
nanaitra izato foko, nandrisika ny saina
Eny e! tsy hay faritana raha izany no lazaina

Ianao irery ihany anie ry Tiana
Ilay hany olo-tokana izay nofidiana
Tiako itantarana ny gejam-pahoriana
sy iaraha-manandratra ny hehin-kafaliana
Tsy misy olon-kafa afa-tsy ianao irery ihany
Ianao no fiononako raha toa aho mitomany

Tiako raha ny fontsika no miara-mitempo
miara-manina sy miara-misento
Eny, fantatrao
Tao aminao Rahavana
no nahitako fitia iriko tsy ho lany
Ka ny fandalovana ety hiarahantsika hatrany

Mety ho adala ny fihevitrao ahy
Tsy isalasalako izany ary tsy misy ahiahy
Eny efa fantatrao
Tsy voafehiko intsony izay tsy tokony atao
Tsy mampaninona raha izany
satria ny hiadaladalako ianao irery ihany

Ny foko mihitsy no manome toky
ny teny omeko tsy tenim-boloky
fa raha ny finoako
tsy hohelezin'ny rivo-mifofo
sady tsy hiova no tsy mety hiofo
ny dina ifanaovana tsy misy soloky

Jentilisa, 07 desambra 1992

 

 

Nisy zavatra... [fangaron'ny 1991 - 1995]

2008-10-10 @ 11:58 in Kolontsaina

Ity tononkalo nosoratako ity dia fitambarana tononkalo
Nosoratana tanelanelan'ny taona 1991 sy 1995
izany hoe tamin'ny taona 1995 no nanambarana azy ho toy ny iray.
Marihiko hatrany fa tia nanoratra tononkalo aho aloha
vao nivadika ho amin'ny lahatsoratra malalaka ahafantaranareo ahy.
Mazotoa mamaky amin'izao andro zoma mahalasalasa ambiroa matetika izao.

Ny fanombohana dia efa notsikerain'ny tenako sahady taty aoriana
Efa voasoratra anefa ilay izy: ny fahazazana tsinona sehatra hafa sy tontolo hafa

Nisy zavatra nanala tamiko
ny voaly
mainty ngalin'
ilay fahazazana
ka nidirako fiainana vaovao

Nisy zavatra nanaitra ahy
nandaitra
hampifaly ny foko
hanary toloko
raha toy ny nanjoko aho tao ho ao

Nisy zavatra nanaitra ahy
hampahery vaika
sy hampiriotra
isa-minitra
ka nampanadino ny kitra tanatiko tao

Nisy zavatra nanasoa ahy
tsy hikoa
ka nizorako mangina
ny lalam-pihafiana
Izay miditra mankao

Nisy zavatra nanala tamiko
ary nanjaka
teo anivon'ny laka
ka tsy hihambakavaka
na iza hisompatra na iza hikaka

Eny, nisy zavatra namonjy ahy
Raha saiky voaronjin'
ny fialonana
sy ny sotasotan'
izao tontolo izao aho

Saingy nisy zavatra nanampoka ahy
hidaraboka
raha nananika
ny andry natsatoka
nefa io no nenti-nijoro tsy hataho-draorao

Nisy zavatra nampitombina ahy
hikombona
ary raha irery
tsy mitsahatra ny manjombona
marina moa raha maha-te-hijery!

Fa nisy zavatra nandrisika ahy
sy mbola misisika
hioko
mitady toky
fa sendra raho-mitatao

Nisy zavatra nandavo ahy
nandrava ny
herintsaina
ho be taraina
ny nantenaina no nanjavona tsotra izao

Nisy zavatra tsy nampihetsika ahy
fa nandetika
Ilay sambo nentiko
ho fefika
voateny ho azy ny tafita vao rendrika

Nisy zavatra nampatory ahy
tao anaty sorisory
izay rehetra nomanina
tsy nisy vanona
satria tsy tao ny solika nanodina milina

Nisy zavatra nandrotika ahy
tsy hikofoka;
fo lotika
no namotika
ny fiainako zary mahatofoka

Nisy zavatra nampimalo ahy
mihalohalo;
tsy tanty
ny eritreritra ao anaty
fa izaho irery no mijaly toy izao

Nisy zavatra nampiala nenina ahy
hiverina
hitodi-doha
amin'ny Ray Tsitoha
ary hiankohoka eo anatrehany tokoa

Nisy zavatra nampiarina ahy
tsy hisonanina
anaty arina
izay namihina ahy teo
tsy nahavitana na inona na inona

Nisy zavatra nanala ahy
tsy hivoajamala
anaty valan'ny
fahadalana
fa nampihiratra ny masom-panahiko hatrizao

Nisy zavatra nampitony ahy
tsy hitomany intsony;
novonoiny
irony
fampijaliana nampitalaho

Nisy zavatra nitaiza ahy
tsy hitako hoe aiza
nefa hainy
ny nihaino
ny taraina nihorona tao amin'ny miafina.

Nisy zavatra nampanetry tena ahy
izay ekena
fa nampitombo fahendrena
izany no fandresena
lehibe noho ny fahitana volamena

Nisy zavatra nanova toetra ahy
tsy ho mora letra
amin'ny zava-drehetra
ny halako avy
no nataony ho zakako sy ho namako.

Nisy zavatra naniraka ahy
hampahery ny vizaka
sy ny voahitsaka
mbamin'ny voafitaka
hanadinoany ny zava-nampangitakitaka

Nisy zavatra nandranitra ahy
hiaritra
sy haharitra
satria mahafinaritra
ny mitory hatrany ny fanjakan'ny lanitra

jentilisa

Haveriko ve? [haisoratra]

2008-10-07 @ 10:15 in Kolontsaina

Ny endri-baliakan'ny androko omaly
Nokitihin'ny tsiky nampihetsika fo
Hotodihina indray ve ny fahazazana
Dia ny fiainana goanan'ny tsy fahalalàna?
Haveriko ve?

Ny haitraitra madinika niravahakohatrany
nikarohana retsika tsy fantatra loatra
ka iniana amin'izao... odian-tsy tsaroana
ny fo tsy afa-tsaona tamin'izany fotoana?
Haveriko ve?

Ny fientanetanana toa rano mandroatra
hihetsika nefa toa tsy zatra ady
be fikirizana fa tsy afa-nanoatra
sehatry ny tolona tsy omby tratra?
Haveriko ve?

Ny manampi-tsofina amin'ny eso sy latsa
hanandratana ny afon'ny fanantenana
ka miandry ilay minitra ivadihan'ny rasa
mba hanatanterahana izay nokinasa?
Haveriko ve?

Ny vetso mangina nameno ny loha
nanosika ny saina hiriorio any hoany
mikaroka hevitra tsy hampikoa
ny androany no ita fa rahampitso mitohy?
Haveriko ve

jentilisa - 1995 -

Aoka aloha, aoka aloha...toa mampivadika ati-doha

2008-09-30 @ 20:58 in Kolontsaina

Aoka aloha! karatra mena omena izay mitady hikiry hahazo fahafinaretana safononoka...(safononoka hono! hehehe!) amin'ny fotoana tsy mampazoto ny iray sa aloha loatra ny fotoana? Aoka aloha! Fiteny tian'ny mpanentana amin'ny ady amin'ny SIDA hataon'ny tanora amin'ny namany raha misy ny fandrisihana hiroboka sahady amin'ny fihirahirana ilay hiran'i Mahaleo manao hoe "Veloma ry fahazazana" Ka miarahaba ny hatanorana...atao daholo na ny fifohana na ny fisotroana na ny FIJANGAJANGANA. Sao voambolana diso toerana amin'ny hira aloha io hoe mijanganjanga io? Nefa matoa ny mpanoratra nametraka azy dia ao raha...

Adihevitra vao mafana tany ampiasana mihitsy manko izany hoe tsy misy intsony izany vehivavy miditra amin'ny fanambadiana mbola virijiny izany. Raha 14 taona (lalàna taloha izany babako!) no misy zazavavy akarina tokantrano no mety ahitana isanjato kelikely ihany izany hoe vehivavy virijiny no hiditra tokantrano... Fijerin'ny tambonivohitra izany fa asa manao ahoana tokoa re ny any ambanivohitra?

Fa aiza ihany ary no tena tian'ny mpanoratra holazaina amin'ny lohateny fa tsy azoko mihitsy? Raha natao ary mbola atao dokambarotra mafotaka aoka izany ny famiasana fimailo sy ny fandrindram-piterahana dia manaraka tsimoramora eny ihany ilay karatra mena misy soratra hoe "aoka aloha!". Indraindray aho mihomehy mahita ilay soratra amin'ny karatra mena ka tsy naharitra intsony aho fa nosoratako ihany androany ny antony. Lasa tsy fidiny ny vavako tany amin'ny "bord" Mahajanga indray alina nanao hoe: "f'angaha tsy misy aoka aoriana?". Notampenako haingana fa miteniteny foana... nefa sao mifono hevitra filozofika?

Ekeko tokoa fa ny hevitra tiana ampitaina amin'ny karatra mena dia hoe tsy izao no fotoana saingy raha azo atao naninona raha ialana mihitsy ny hevitra mety mivilana? Mahazo karatra mena amin'ny aloha ve fa mahazo ny karatra maitson'ny beantitra aoriana. Dia manome sosokevitra ihany aho na izany aza toy ny hoe "aoka mihitsy!" na ny hoe "Aoka izay!" ho fanapahana ny resaka mandrobo ataon'ny anankiray. Sa dia lasa lavitra loatra mihitsy izany hevitra izany? Tsy manao hatsikana tandrefana aho an!

Rado mpanoratra: Ny zavatra hafa mety mbola tsy fantatrao.

2008-09-18 @ 13:55 in Kolontsaina

Mbola eo ampanongotsongoana faramparany ilay andrarezin'ny teny sy ny haisoratra malagasy lavo
isika amin'izao fotoana izao. Mbola mahatsiahy tsara sy mampitamberina ny soa sy ny ezaka vitany
izay rehetra mahatsapa fa nisy vongana masirasira (leviora) avy tamin'i Rado namolavola ny nankamamiany ny haisoratra lovan-kolontsaina malagasy na farafaharatsiny ny teny malagasy, dia izay ihany, tahaka ahy izay manoratra aminao etoana na dia tsy nisy aza fifaneraserana mivantana aminy. Tsy tena mpankafy ny asa-sorany aho, eo amin'ny lafiny fitadidiana tsianjery izay nosoratany, fa mahatsapa kosa ny halalin'ny zavatra soratany rehefa mahafantatra zavatra bebe koa momba azy. Hoy Simeon Rajaona fony nanatrika ny fanamarihana ny faha-80 taonan'i Rado notontosaina tao amin'ny fiangonana tranovato Faravohitra tamin'ny taona 2003 ary atao tamberina saky ny vita vaovao alina ao amin'ny TVM amin'izao fotoana izao:

Anisan'ny alahelo entiko mandramaty mihitsy ny tsy mba nampidirako tao anaty "takelaka notsongaina voalohany sy faharoa" ny asasoratry Rado na dia iray aza satria tsy hisy intsony ny fampidirana lahatsoratra vaovao. Nanomboka tamin'ny taona 1955 manko ny fanangonana ny lahatsoratra rehetra nefa dia tsy nahafantatra an'i Rado sy ny asa sorany mihitsy aho. (Teo anatrehan'i Rado sy ny mpanatrika rehetra no nitenenany izany ho karazana fifonana eo anatrehan'i Rado).

Nataoko ho karazana zavadehibe nampitodika ahy hijery fahitalavitra indray ny manaraka fandaharana manokana momba an'i Rado, hany ka tsy nampaninona ahy velively na tratra aoriana aza ao nalefa nivantana (teny antenatenan'ny lalao vao nalefa mivantana) ny lalao baolina fandaka ifanandrinan'ny Manchester United sy Villareal. Izaho mpankafy baolina fandaka lozantany ity no tsy nisy alahelo na fahatezerana akory noho ny tsy fahitana mivantana lalaon'ny goavana sahala min'izany? Na izaho aza gaga tamin'ny tenako.

Ataoko fa tsy manavahiny ny mpamaky ny asa-soratry Rado ny fampahatsiahivana nataon'i Zo-Maminirina an-tonokalo ny sombin-teny manamarika ny soratr'ity Ngezalahin'ny literatiora Malagasy ity:


Hovitra

Ho any ianao kanefa
ny lalana mankany tsy misy dia miverina
tsisy ankamerimbotsotra,
lalan-tsy mif(am)etra hatreo am-parafara fara-fatoriana
ka mampifararemotra ny manam-pofonaina

Dia lasa ianao...
kanefa ny dian-drantsanao natosiky ny SEDRAn'
ny fizarana mamy
ny DINITRy ny tolona
niady ho an'ny ZO
sy ny maro hafa
no ANDO hampamololona
indray ilay finoana
noheveriko ho tarangana.
Mbola indreo mitsangana
ny zana-dRavahoaka
tsy resin-dazon'ady
mbola sahy mitady
ny tena fahafahana

Dia lasa ianao...
ry Dada
Nianjaika fandresena
feno fanetre-tena
anatrehan'ny Tsitoha!

Etsy kely aloha...
iriko ho tsikitsiky no ifandaozantsika
na fo mangorangorana
sy mangorangorana aza ny ato anatiko ato.

Aza misahirana, azafady indrindra f'aleo hakatoko ihany
io varavarana io...
...dia hitomany aho.

Zo-Maminirina 16 septambra 2008

Tononkalo avy tamina mpankasitraka ny asa sorany izany fa nampisaina lalina nahafantarana zavatra hafa momba ny tenany ihany koa ilay tononkalo nosoratan'Andriamanantena Celestin (efa nodimandry ihany koa) ho an'ny zandriny tamin'ny andro nitsingerenan'ny faha-70 taona nahaterahany, ny zoma 1993, ary hita tao amin'ny gazety taratra n°1386 nivoaka ny Alarobia 17 septambra 2008 pejy fahaefatra:

Faly aho, ry zandry, ka ho tsiny ve
ny mitanisa fohy ny araben'ise?

...Ny arabe iray dia lalam-pitsapana,
feno vatokely sy hady mangotana.
Vao sivy taona ise dia maty i Mamantsika,
fotoana kely monja ilay volana baliaka
dia lasa tsy nipody. Ny fitiavan-dreny,
minitra dia nandalo; ny iray tampo indreny
nandeha tsikelikely, namela antsika lahy
izay tendrony ankiroa matoa sy faralahy.
Tapaka ny tady, banga ny elanelana
nefa mba niriana ny vony ampy felana!...

...Fa nitohy ihany ny tsilo an-dalambe:
Fotoana maromaro no tsy salama ise;
nanao tampody fohy ny antsy fandidiana
ka niverimberina nitondra hakiviana.
Alin-tsy voaisa no nisehoan'izany,
na teto anivonay, na tany ampita tany.
Nivesatra ahiahy ny zanaka sy vady,
ny havana rehetra lalovan-dazon'ady.
Ho resy ihany va 'ty loza izay misakana,
sa anio mihitsy no ho rendrika ny lakana?

...Fa nitohy ihany ny tsilo teny an-dalana,
naranitra ny antsy ka nahatratra akalana.
Ny fitiavan-janaka nataon'ise filamatra,
indraindray nikiky sady koa nandramatra
ny alina sy ny andro nandalo tamin'ise,
nitera-panahina sy ny teny toyny hoe:
"Hanao ahoana re ny hoavin'ny taranako,
fa tiako, tena tiako ary mamiko ny zanako?"

...Fa mbola niha-maizina ny arabe nizorana,
ny lohalika osaosa vao mainka koa nangorana;
ny volo efa fotsy mba niandry taona zina
nolalovan'afo ka mainka niha-kina.
Tsy ela fa vao omaly, sombinaina efatra
no niara-maty teto. Alina mavesatra
ny alina rehetra fa lasa ny malala,
natelina ny sento ka mila ho vakivaky
ny loha adaladala!...

Ireny no antsoiko hoe arabe iray,
nisy fitsapana sy ady mahamay,
nodiavin-tongotra sy taolana mihanjaka,
ary nandrefesana ny hery sy ny tanjaka!...

...Fa misy ny arabe izay hafa noho izany,
mivoly voninkazo sy kalokalo mamy,
dia ny arabe sy soratra nitondran'ise
ny hetaheta maro nanindry ny mpandeha!
Mpamaky firy moa no sempotra sy toro,
mpamaky firy moa no sendra horohoro,
no rehefa mahavaky ny tonokalo mamy,
no tsy toy ny olonanandresy ny tomany,
ka nahazo hery sy sitrana tsy miody:
"DINITRA" sy "ZO" nanjary fanafody?
Ary raha nanjaka ny olom-panjanahana,
ka nanjavozavo ny tanjona hiatorahana,
ise no nitaiza sy nampahazo vahana,
nampianatra ny ankizy hiantso Fahafahana!...

Mihoatra noho izany ny araben'ny Hira
namonjen'ise ny fo voaviravira,
Nahatonga ny olona hiandrandra lanitra,
Hiantso sy hidera ny anaran'Andriamanitra!
Fa na aiza fiangonana, na aiza fivoriana,
Na tilikambo avo na tilikambo iva,
njao mamelovelo raha tonga ny hariva
Ny hiran'ise, mandona ny ati-fo,
Ka vetivety monja, miharina ny loha!
Arabe'ny hira, araben'ise,
Ka babo izay mandalo, babo izay mandre!...

...Tsy adino koa ny Làlanan'ny kabary,
Nanehoan'ise fa soa miharihary
Ny tenin-drazantsika. Teny manankasina,
Afa-mampikambana sy mampifankatia
Zatovo marobe, ka falifaly ery
Ireo izay mandre ny ohabolana, hainteny
Milaza ny fitia, manombo izay nekeny.
Moa tsy faly ery raha mifanena ise
Amin'ny zatovo ka ilazana hoe:
"Moa tadidinao, fa ianao ange no iray
Nitondra ny kabary tamin'ny andronay?...

...Fa ato an-tsaiko koa ny araben'ny kanto,
Ny araben'ny sary tsara sy milanto,
Fomba nanehoana ny tsy takatry ny penina,
Nanalana sarona ny nofy izay nafenina.
Hain'ise izany ka fomba tsy fahita
Nateraky ny karoka no tonga zava-bita.
Na tsihy nasiana sary, na hazo iray nodorana,
Na jiafotsy tsotra, na hoditra nohosorana.
Ireny no akora sy zary fiasana,
nasain'ise niteny ka tonga nigagana.
Dia jejojejo ary ny rindrina miravaka,
Ny sary vitan-dRado tamim-pomba miavaka...

...Fa anampiako izany ny araben'ny hehy,
Ny vazivazy maro nanondraka tarehy.
hain'ise manokana ny nampiasa izany,
Na andro maha-ory na andron'ny tomany.
Vazivazy ireny nefa nanafana
Ny tokantranontsika,
Ny taranatsika,
Ny sakaizantsika.
Fa na ny tolona aza ho an'ny firenena,
Ny vazivazy ihany no fomba nanefena,
Nanefen'ise ireo ratsy tarigetra,
Hanaiky tsongotsongo sy hanova toetra!...

3 - 10 - 1993 Amboditsiry
Andriamanantena Célestin

Hay ve izany Rado izany ka toa fijaliana hatrany ny fiainany rehetra. Hatramin'ny fahazazany
nandaozan'ny reny sy ny iray tampo azy telo mianaka ka hatramin'ny andro nahafatesany saingy tsy nataony hampiondrika azy izany fa nitraka hatrany izy hampamirapiratra ny teny nolalainy. Hay efa impiry impiry ny lehilahy fa nandalo fandidiana nampanahy indrindra ny fianakaviana fa tratrany
ihany ny fahanterana. Aiza ho aiza amin'izany isika betaraina itony? Tsy nampiala vehana azy ny
sakatsakana mety ho nitranga. Nampitamberina indray ny halalin'ilay tononkalo manao hoe:

Raha mbola misy tsiky
azonao asetra ny ronjon'ny ankaso
Nahoana indrindra, iky
no dia laniana foana ny vongan-dranomaso!

Raha mbola misy ihany
kintana mamiratra azonao banjinina,
nahoana no tomany
no andanianao ny alin'ny ririnina?

Raha mbola misy kalo
azonao hiraina anaty fahavaratra
nahoana no himalo
mahita vodilanitra mosarena taratra?

24 - 02 - 70
(Dinitra tak.122)

Tranga iray hafa avy amin'ny resaka fohy nataon'i Bessa indray ny fiarovana nataon'i Rado fony
mpanao hira mibarareoka i Bessa, nihira ilay "Ny hirako izao Ray be fitia"(fihirana FFPM lah.478)
Toa maneso manko ny mandre ilay feo ka nisy nitsikera tao amin'ny gazety "Fanasina", gazety
protestanta nivoaka isan-kerinandro nandritra ny repobilika voalohany (efa namaky ny sasantsasany tamin'izany aho fahakely). Ny protestanta manko miaro fatratra ny fomba fihira araka ny sol-fa (tandrefana aza) ka nanohina ny fony ilay zanaka mpitandrina toa naniratsira ny hiram-pivavahana. Avy tamin'ny fomba fitendrin'i Bessa ny harimÔnia no tena nahatonga azy hiaro ilay fomba fihira (samy zanaka mpitandrina koa moa ry zalahy). Tsy fantatro loatra satria tsy ampelatanako intsony io raharaha iray io, ka tsy haiko ny fomba niarovan'i Rado an'i Bessa. Ny tsapako avy hatrany fotsiny dia avy amin'ny fomba fihira zafindraony, saiky nofadiana am-piangonana (mbola tsy nanaiky loatra ny fifohazana manana ny hira mifanahatahaka amin'ireny ihany koa tamin'izany fotoana izany ireo fiangonana nipoiran'ny FJKM) manko ny hira maintimolaly fa izay tsy afaka ambavan'ny maro tamin'izany (toy ny Sambasamba Zanahary hira FFPM lah.79) ihany no tsy maintsy nampidirina fandrao mampalahelo ny maro an'isa. Ity resaka notsongaina tamin'ny resaky Bessa ity no tena ahazoana mitaratra ilay mahamalagasy azy satria nifanakaiky tamin'ny am-pon'ny maro an'isa, ambany ravinahitra, izay fiheviny izay.

Hitondra ny fanilo izahay ry Rado, Hasandratray ho avo ny hasoan'ilay teny maminao. Hokoloinay
tsy ho lefy mba tsy ho verivery foana ny hasasaranao.

Rado: Mahazo maty ve ny tenany? Fa iza moa izy?

2008-09-16 @ 08:20 in Kolontsaina

Araka ny efa nosoratan'ny namana New2dago dia nodimandry halina (15 septambra 2008) ilay mpanoratra fanta-daza amin'ny anarana Georges Andriamanantena naka ny anarana malagasy antsoina hoe Rado. Efa naiditra hopitaly ny tenany tamin'ny herintaona ary mbola novelomin'aina ihany koa talohakelin'izao nandehanany nitsaitsaika tanaty alin-diavolana izao. Lasa izy raha mbola varian-dalao amin'izay manahirana azy avy ny manodidina azy.

Tsy dia mahalala zavatra betsaka azy aho. Tsy fantatro tahaka ny paosiko izy satria na ny paosiko aza tsy tadidiko akory izay nataoko tao anatiny ary tsy fantatro marina ny refin'ny halaliny. Izay kely fantatro ihany no ampitaiko mba hitovitovy ny fahalalantsika momba ity olomangan'ny firenena ity.

Zanaka mpitandrina ny tenany, teraka tamin'ny 1 oktobra 1923 (tapabolana sisa manko) ary Ankadivato ilay fonenana nahalehibe azy. Notezaina tanatin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny tanindrazana tahaka ireo hafa novolavolaina tanaty lasitra protestanta nandritra ny fanjanahantany. Jereo anie ny lalam-piainana nodiaviny:

Nianatra teny amin'ny sekolim-panjakana (Ecole Officielle) tamin'ny taona 1929 ary teny amin'ny sekolim-pinoana protestanta rehefa avy eo ( Teny amin'ny frenjy Ambohijatovo Atsimo 1933-1941 sy teny amin'ny Kolejy Paul Minault 1942). Nandalo teo ambany saokan'i Al. Ravoajanahary tao Ambohijatovo sy ny Mpitandrina Ravelojaona tao amin'ny Paul Minault). Nandritra izany fotoana izany dia notezaina ihany koa tanaty fanabeazana skoto (Tily eto Madagasikara) ho fanamafisana ny fanolokoloana tany an-trano nandritra ny takariva "amorom-patana" nampitiavan'ny rainy Mpitandrina ho an'ireo zanany ny teny malagasy. Nampianarina hahaleo tena fa tsy hiankina aman'olona hany ka na dia nahazo asa tao amin'ny Preservatrice Assurances ary nandray karama be tamin'izany aza (1942 - 1955) dia naleony nihafy nanorina gazety (hehy) niaraka tamin'ny rahalahiny Celestin Andriamanantena (1955 - 1966). Efa nianarana tany Strasbourg rahateo ny fanaovan-gazety.

Nanambady an-dRavololona Edwige izy ary nataony tamin'ny teny malagasy avokoa ny anaran-janany rehetra (enina ka manana ny anarana Noro, Ony, Lanto, Haingo, Andry, Rija...nitohy tany amin'ny zafikely ny nanomezana izany anarana malagasy izany) ary efa loa-jafy rahateo.

Maro ny karazan-talenta ananany ka ao ny fanaovana sary hosodoko, ny paik'afo (pyrogravure), ny Tosi-by (metal repoussé), ny kiky fitaratra (gravure sur verre) ary tsy latsa-danja amin'izany ny famoronana hiram-bavaka, hita tokoa ny tenany fa notezaina ho kristiana. Fa ny tena ahafantaran'ny maro azy moa dia ny tononkalo izay tsy nitsaharany mihitsy raha tsy amin'ny fotoana tsy ahafahany manao izany intsony. Izany no nahafahany namoaka boky fito miaty ny sasany amin'izany tononkalony izany dia Dinitra (1973), Ando (1977), Zo (1989), Sedra (1993), Ny teny Malagasy (1994), tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilany (2002 ary ny Voninkazo adaladala (2003) sy ny fiteny roa (2008). Aza atao mahagaga antsika anefa raha mbola mety hisy ny asa sorany hivoaka aorian'izao nandaozany antsika izao. Ny fanalan'andro nankafiziny dia ny manjono, fitiavana notahafiny avy tamin'ny rainy, sy ny fiaraha-milalao amin-jafikely.

Ankoatra izany dia ananany avokoa ny mari-boninahitra malagasy rehetra... hahavariana ihany raha hahazo mari-boninahitra avy any ivelany izy satria nandala tamin'ny fony manontolo ny teny malagasy izy. Zavatra iray mampanontany tena ahy dia ny fahalalana izay heviny amin'izao fanoherana ataon'ny maro an'isa izao ny fampianarana amin'ny teny malagasy izao. Zavatra iray nahavelom-panantenana azy ny fitakian'ny mpianatra tamin'ny 1972 hampianarana azy ny zavatra mifanaraka amin'ny tontolo eto an-toerana ka nahatonga azy hahasoratra hoe "Mahazo maty". Tsy aritro fa omeko anareo aloha:

Isaky ny ady sarotra
izay manambana an-tokonako
Impiry aho no niady varotra
hitombo ny hery hitolomako?

Impiry koa no nirariako
hohalavaiina refy ny androko
hiarovako ny tiako
synyanjara masoandroko?

Ny sandry anefa ity toa trotraka
Kiry sisa mitsingevana
Raha mbola hiady sao dia potraka
fa efa hazo amoron-tevana!

Kanjo, indro, fa nitraka
ny zatovon'ny tanànako:
nifandrombaka sy naka
ilay "fanilo" teny an-tanako.

Nohirainy tsy miambatra
ny fitiavany ny taniny.
Nomeny toky fa ho sambatra
izato firenena maminy.

Lasa teo ny fieremako
ny adi-varotro nofoanako
"Mahazo maty ialahy, ry tenako!
Fa mijoro ny taranako"!

Rado 4 mey 1972

Nijoro tokoa manko ilay taranaka fa navilin'ny mpanao politika ny lalana, nosimbainy ilay filamatra ka maro no miaka-tosi-dra raha vao maheno teny hoe "fampianarana amin'ny teny malagasy". Misy ihany koa ny tsy mitsahatra ny mamerimberina fa teny merina ihany io fa tsy teny malagasy ary fitadiavana hanaovana ny imperialisma merina sy fanandevozana ny tanindrana ny fikasana hampianarana amin'ny teny malagasy. Na izany na tsy izany lehilahy voky andro no nandao antsika ary ny mpanakanto tsy mba maty koa ho tsaroan'ny taranaka fara aman-dimby anie ny soa rehetra navelany ho antsika.

Mandihiza rahitsikitsika ary tsy hain'ny zanakao?

2008-08-06 @ 20:32 in Kolontsaina

Ao anatin'ny fotoam-pialantsasatra isika amin'izao fotoana izao ka misy ihany ny fifamezivezena kely. Manao vakansy mahasara-dray aman-dreny ato an-trano ny zana-drahalahiko mirahalahy 4 sy 7 taona. Variana amin-javatra misy ato an-trano koa angaha ry zalahy ka tsy malahelo loatra ny ray aman-dreniny. Kilalao, zavamameno, fahitalavitra ary ny solosaina no mahavariana an-dry zalahy ankoatra ny sakafo mazava loatra.

Ny tena miasa ka nandrasana fatratra isaky ny mirava andefasana ny solosaina hihainoana sy hijerena sarimiaina arahin-kira Firantsay ho an'ankizy (ary dia tsy afaka manao zavatra hafa na inona na inona intsony amin'ny solosaina aho). Ny hira nianarana fony tany an-tsekoly no tena tiana averimberina satria iny manko no efa re rahateo sady anabeazana azy ho ankafiziny rahateo, porofo fa nianatra rehefa nampianarina hira Firantsay. Teo aho no lasa saina, tsy misy fampitiavana ny teny mahery vaika mihoatra noho ny fanaovana azy an-kira, milentika tsara iny ka na efa lehibe aza dia tsy hiala amin'iny izy, ary ny baiboly koa milaza rahateo hoe zaro amin'ny lalana tokony alehany ny zaza fa na efa antitra aza izy tsy hiala amin'iny. Hany ka tsy atao mahagaga raha hafahafa amin'ny sasany ny mandre teny malagasy hoe telozoro, varingarina, gaoba, takamoa sy ny zavatra hafa.

Mailaka dia mailaka tokoa ny zaza amin'ny hira ary sondriana hatrany indrindra moa fa miaraka amin'ny sarimiaina ilay izy (maso sy vava no miasa...firy isan-jaton'ny hafatra moa no very hoy ny saikolojia izay?). Tena resy tanteraka ny teny malagasy eto... tsy manana hira fampitiavana ny teny malagasy ho an'ny ankizy. Efa nanoratra izay ihany aho taloha ary hitako fa miezaka manokana hira ho an'ankizy i Momota (Gothlieb) nefa toy ny rano indray mitete miohatra amin'ny ranomasimben'ny Firakofonia (Firakotra-Kofona-anie e) aloha ny ezaka ataony. Rehefa tonga eo amin'ny Savez-vous planter les choux moa ny hira dia tohizako hatrany amin'ilay sangisangy zary tenany (efa nosoratako taloha koa) hoe {Nous ne savons que le français, à la mode(2)}(2) est le français, fa bedy hatrany izaho efa olon-dehibe ity.{hihi! mbô zaza saina!}

Androany ary aho nanontany azy mirahalahy: "Hainareo ve ny mandihiza rahitsikitsika?". Valiny: "Inona koa izany? Izany ary tsy hainay hoe hira sa tsianjery". Izay ary ilay efa nampoiziko, hoy aho tany anatiko tany. Ohatra mody noraisiko fotsiny io fa hira teny malagasy ho an'ankizy firy moa no mba haintsika mpanoratra sy mpamaky amin'izao fotoana izao? Mba hainy ve ny nankaiza ny tanteliko teto ohatra sa izao vao tsaroana hoe hay moa misy izany hira kilalao izany koa? Fitiavana ny hahatafita zanaka no nahatonga ny fanadinoana ny sekolin'ny Ntaolo?

Eto aho no hamaly ny hevitra hoe enimpolo taona ary isika zanatany tsy nahafoana ny teny malagasy izany. Adihevitra ifanaovana manko izy ity. Fony zanatany isika, mbola nahatahiry ny zavatra rehetra talohan'ny fanjanahatany ny ray aman-dreny ka nampita izany tamin'ny taranany. Rehefa nierina indray ny fahaleovantena, tsy nivantana intsony ilay fanjanahatany, samy nihevitra ny ray aman-dreny tamin'izany fotoana izany fa ny hahatafita ny zazany hianatra any andafy no mahamaika... nohadinoina tsikelikely ny kolontsaina nifampitana tany an-trano, ny zavatra tany ampianarana ihany no notohizana tao an-trano. Ilay tany ampianarana efa nolazaiko fa tsy mifanaraka loatra amin'ny zavamisy manodidina ny mpianatra fa fiandrandrana ny hitady asa any amin'ny vazaha na any amin'ny fanjakana. Noho izany tsy hitovy velively ny 70 taona nahazanatany antsika nefa nanaovana sekoly mirazotra (io indray ilay teny hafahafahan'ny fanagasiana tsssss...hihi) tany an-trano sy ny 50 taona sekoly nandeha irery tamin'ny fampianarana fa tsy nisy nifaninana taminy... Fanampian-tosika  aza no natao indrindra rehefa hanala fanadinam-panjakana.

Fehiny: mbola fahabangana lehibe hampitiavana ny teny malagasy ny fototra any amin'ny ankizy atao amin'ny alalan'ny hira na tsianjery zary kilalao. Noho izany, asa lehibe miandry ny rehetra tia ny teny Malagasy io. Ny fanolokoloana azyihany no mamelona azy fa raah heverina ho kibo saoky ny nahiny io dia tanteraka tokoa ny filazna hoe afaka 50 taona dia hanjavona ny teny malagasy (indrindra amin'ireolazaina fa nandia fianarana).

Aleo angaha averiko eto indray ilay "Savez-vous planter les choux" araka ny fahaizako azy:

Nous ne savons que le français
A la mode, à la mode
Nous ne savons que le français
A la mode est le français

Le Malagasy est meprisé
A la porte, à la porte
Le Malagasy est meprisé
A la porte et du balai

Ny any aoriana hana'hoana ange
Hana'hoana,(hanao ahoana)
Ny any aoriana hana'hoana ange
ny teny malagasy dia tsy hain'ise

 

Fatiantoka lehibe ho an'ny Firenena ny vatsim-pianaran'ny Filoha Ravalomanana

2008-07-27 @ 19:58 in Kolontsaina

Hiditra tsikelikely amin'ny andian-dahatsoratra momba ny fampianarana aho ka hiainga amin'ity resaka vatsim-pianarana ity. Tsy ilay fandre fa ilay nankalazaina vao tsy ela akory izay. Ireo mpianatra nivoaka tany Etazonia tiana ho reharehan'ny mpitondra fanjakana. ABU na Abilene Christian University any Texas USA ny anaran'ny sekoly, Dipilaoma mitovy lenta amin'ny Maitrise izay ananan'ny mpianatra Malagasy anarivony maro dia maro nivoaka teto an-toerana ihany, fa tsy doctorat mba vitsy mpanana kokoa, nefa dia nandanian'ny fanjakana vola be tsy hita noanoa. Mety nahavotra mpianatra andeha mody atao hoe anjatony ihany izany... saingy izy angaha no tompon'ny fanapahan-kevitra! Ny mampahonena dia mikasa ny handefa mpianatra hafa indray ny fitondram-panjakana amin'izao fotoana izao.

Faharoa manaraka izany, vao nahita ny tany andafy ny ankizy dia miezaka ny hiverina any na dia tsy maintsy miserana kely eto amin'ny tanàna aseho vahoaka aza... fa hiserana fotsiny. Taratra sahady fa tsy hijanona eto Madagasikara mihitsy ireo mpianatra nandaniam-bola manokana ireo. Efa voalaza an-gazety sahady fa hiverina hitodi-doha hiasa any Etazonia sahady ny mpianatra lazaina fa nahay indrindra tamin'izy ireo amin'ny volana nôvambira ho avy io. Nahoana no niantohana vatsim-pianarana izy ireo, ary ny fitondram-panjakana malagasy no niantoka azy raha tsy hiasa eto madagasikara akory? sa mbola mitohy ihany gaboraraka tamin'ny repobilika faharoa izay nampanaovina taratasy ny mpianatra hiasa folo taona eto Madagasikara raha kely indrindra, nefa dia tsy misy manatanteraka izany afa-tsy izay tena misafidy ny hijanona eto sy ny tsy afa-manoatra na dia te-hiasa any ivelany mafy aza? Fandaniam-bola hangalaran'ny olona ny manampahaizana eto an-toerana fotsiny. Raha mpianatra nianto-tena na niantohan'ny ray aman-dreniny dia zavatra hafa indray satria izay no nokendren'ny ray aman-dreniny ho azy fa raha iantohan'ny fanjakana kosa tsy rariny amiko fa karazana fanodikodinam-bola ankolaka ihany. Hevitro ihany izany fa asa ianao raha hitovy hevitra amiko na tsia.

Ankafiziko mihoatra noho ny Pazzapa

2008-07-03 @ 03:44 in Kolontsaina

Tsy azoko lavina fa anisan’ny be mpanaraka hatramin’izay ny fandaharana Pazzapa ataon’ny rta na dia tsy fanarako loatra aza. Maro ihany ny fandaharana mifandraika na mitovy amin’ny ataon’ny televiziona hafa eto an-toerana fa tsy misy mahatoraka ary tsy mbola misy mahoraka noho ny azy. Na eo aza izany dia tsy kely ny tsikera toy ny fampanofisana ny tanora halaza vetivety amin’ny alalan’ny hira ka izay angamba no nahatonga azy ireo nandray fepetra tsy handray afa-tsy ny olona mahatratra ny faha-18 ny taonany tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy sasatra na dia izany aza ny televiziona hafa mikaroka fandaharana manana ny kanto sy tsara ho ankafizina satria mitandro ny mahamalagasy ihany. Asongadiko manokana amin’izany ny televiziona Malagasy Tvm.

Rehefa alarobia folakandro iny dia somary mifampitohy ny fandaharana vokarin’ny Malagasy sy mitodika manokana ho an’ny Malagasy na dia mety hahaliana ny vahiny ihany koa aza izany. Fandaharana famerenana ireo nefa dia tsy tian’ny mpanaraka azy ho adinoina ary tsy mankaleo aza ny mijery azy indray mandeha raha toa efa narahina izy tamin’ny faran’ny herinandro. Ny fandaharana Anim’Artista sy ny fandaharana J ‘jejo no tiako asongadina eto aloha.

Anim’artista, manasongadina ny kanto malagasy indrindra fa ny hira aloha amin’izao fotoana izao. Raha somary nibahan-toerana ny resadresaka tany aloha tany dia efa nampiana ho betsaka kokoa ny hira raha ho an’ny mpihira. Nefa tsinjoko etoana fa mety tsy hijanona intsony amin’ny lafiny hira ity fandarahana ity raha jerena ny voatendry ho mpitafa amin’izay vahiny nasaina. Nanjary nisy mpandihy na mpanao sarimihetsika manko tao ho ao nanentana, toy ny mampahatsiahy fa tsy ny mpihira ihany no artista fa mivelatra amin’ny fanolokoloana ny kanto rehetra izany.

J’Jejo, fandaharana tokony ho natokana ho an’ny vehivavy raha ny izy saingy mahafinaritra ahy ihany ny mahita tovovavy kanto maro ao anatiny milatro. Tsy anavahana volonkoditra sy fihaviana izany fa tsy mbola nahita mpilatro vazaha aho aloha tamin’ity fandaharana ity. Nahavariana aza tamin’ny fandaharana farany nojereko fa ny mpilatro iray dia tsy niverina fanindroany intsony nitondra fitafy hafa. Efa mihamaro ve ny mpilatro? Somary hafa nefa mifampitohy ny filatro ataon’ny vehivavy efa lehibe manao fandeha tsotra fa tsy amboarina tahaka ny ataon’ny mpilatro tanora, manasongadina kosa ny fahamendrehan’ny fitafin’olon-dehibe amin’zao fotoana izao ary tsy manao ho mampahamenatra ny habe efa vaventy avokoa.

Fa na eo aza ireo fandaharana roa navahako ireo dia manadino ny tena antom-panoratako aho raha izay ihany no lazaiko. Izaho angamba no tsy mahara-baovao intsony fa heveriko ho tsy mba misy mpilaza izy ity nefa tena manandratra ny hakantom-peo sy kolontsaina malagasy. Fantatrareo ve fa misy fifaninanana kabary hoan’ny sokajy rehetra hatramin’ny ankizy ka hatramin’ny efa katraka amin’izao fotoana izao mitety faritra maro? Raha tsy mahalala ianao dia efa nolazaiko anao ary izy ankehitriny.

Tamin’ny alatsinainy alina taorian’ny vaovao ary mialoha ny fandaharana kianja misahana ny fanatanjahantena no tsipalotro ny fandaharana kabary sompi-pahendrena. Mbola sokajy zandriny no naseho, tsy fantatro hoe rahoviana indray no misy manaraka fa rarakivy araka ny fiteny aho mahita ireto tanora herotrerony (mbola zaza ny iray) tafakatra amin’ny dingana manaraka mifaninana amin’izato fandaharam-pitenenana sy lantom-peo mahaliana ny mpitandro ny teny malagasy. Izaho manokana aloha tena mahatsiaro tena fa mbola tena ambany dia ambany amin’ny fitandroana ny teny malagasy miohatra amin’ireto ankizy (tsy ampy taona) ireto. Velona ho azy tanatiko tao ny hianatra kabary ary te-hahalala izay mpampianatra kabary mahay aho nahita azy ireto. Fifaninanana mila safidin’ny mpijery ihany koa izy ity ka manontanintania ihany ny ao amin’ny Tvm. Te-hiteny ny namana ao amin’ny telomiova ihany koa aho hoe asio fampianarana kabary ihany koa ao amin’ny vavahadin-tseraserantsika ao raha mbola tsy misy izany fa mety hanintona olona maro isika amin’izany.

Raha atao hoe dokambarotra ity lahatsoratro ity dia dokambarotra tsy nahazoako na dia ariary na dôlara iray na Eorô iray aza. Fantatro fa tsy hanambola ho amin’izany ny mpitandro ny teny sy ny kanto malagasy ary fantatro fa vitsy an’isa ny mpanambola hanohana izany fanandratana ny teny sy ny kanto malagasy izany ka izao no mba fandraisana anjara kely ataoko. Naleo koa miteny zavatra mahafinaritra hilana voly sy hampilendalenda izay mahatsiaro fa Malagasy rehetra e! 

Analakely: Miverina ny tsenam-piara sy lapan'ny tanàna (tohiny)

2008-05-13 @ 20:15 in Kolontsaina

Dia fahatsiarovana ve sisa ny fanapahan-kevitra hanakana araka izay azo natao ny fiantsonan’ny fiara izay amidy no tena nibahan-toerana teo Analakely? Nesorina tsy ankiteniteny manko ny fefy rehetra nanakana ny fiara tsy hiantsona tamin’iny andaniny sy ankilan’ny Arikady iny. Mazava loatra fa feno fiara “A VENDRE” indray izay azo nijanonana rehetra. Hita mazava tsara fa ny mpitantana ny tanàna no nanala azy ireny satria voatampina tara avokoa ireo faritra nanesorana ny vato rehetra.

 

Ny fanontaniana dia hoe hisy ve ny solony sa dia efa izay izany? Manaraka izany moa dia efa tafapetraka soa aman-tsara ilay takelaby efa nolazaiko andro vitsy lasa izay. Tsy mbola misy dokambarotra hita aloha nefa mampieritreritra ihany raha sarin’ny lapan’ny tanàna vaovao no hapetraka eo. Ilaina ve ny fandaniana be tamin’ny fananganana ilay takelaby raha tena izay tokoa no ho eo? Miandry fatratra izay sary hipetraka eo aho fa ianareo aloha tsy fantatro. Fa na izany aza tena mahavariana raha vitan’ny 240 000 000Ar ilay lapan’ny tanàna vaovao. Mampanontany tena hatrany manko hoe efa tafiditra amin’io tetibola io ve ilay takelaby mipetaka manakona ny zaridaina misolo ny lapan’ny tanàna ankehitriny? Tadidiko kosa fa nolazain’izay nametraka ny zaridaina endrika faharoa eo amin’io toerana io ihany manko fa nahatratra 200 000 000Ar ny tetibidin’ny nananganana ilay zaridaina. Dia hoy aho hoe vitan’izany tetibola izany rangahy koa naninona raha tonga dia ny lapan’ny tanàna no najoro? Tena samy manana ny paikany tokoa angaha ny tsirairay.

 

Manaraka izany izay nahadinika dia mahita mazava tsara fa tsy ilay endriky ny Lapan’ny tanàna may teo aloha intsony no kasaina haorina (raha hisy tokoa) fa endrika tiana ho amin’ny vanim-potoanan’ny taonarivo fahatelo angaha. Mifanakaiky kokoa amin’ny endriky ny Arikady andaniny sy ankilany manko ilay vinavina vaovao fa tsara jerena kosa aloha e! Anjaran’izay te-hiady hevitra amin’ny tokony hanovana na tsia ny endrik’ilay lapàn’ny tanàna kosa aloha fa ny mampita vaovao ihany no ataoko.

 

Zavatra hafa na mifampitohy aminy ihany aza. Izaho dia tsy nankasitraka velively ny hananganana indray ny lapan’i Manjakamiadana tamin’ny fotoana nampafana fo ny olona ka efa nahatonga ny andrintrano lehibe hazo iny aza. Tsy hitako hoy aho raha mbola trano hazo ihany no haorina eo nefa ny hazo sady mora may no mora boboka. Manaraka izany fotoana fanararaotan’ny mpanambaka sy ny te-hanankarena vetivety ihany koa ny zavatra sahala amin’ireny ka tsy nandrotsa-bola ho amin’ny fananganana azy mihitsy aho. Ankehitriny, noho izy najoro amin’ny alalan’ny vatosokay (ciment ka lasa béton) dia faly aho na dia mbola andalana aza ny fanarenana, hita tsara manko ny fandroson’ny asa, nefa voahaja tsara ny endrika nananany talohan’ny nahamay azy. Io vatosokay atao andrintrao io koa anie tsy maintsy rakofana hazo mba ho toy ny teo aloha ihany fa hafa kosa aloha ny hamafiny amin’izay fotoana izay. Mitohy ihany ny asa na dia re aza fa mbola tsy ampy be dia be ny vola enti-manao amin’ny fanarenana azy.

 

Ho afa-miditra soa aman-tsara ve raha mbola misy gazety vaovao?

2008-04-21 @ 13:47 in Kolontsaina

Efa bebe ihany izay ny gazety eto amin'ny tanàna izay raha mitovitovy daholo ihany izay ambarany, ka jerena avokoa ny lohatenim-baovao avoakan'izy ireo. Dia lasa ny saina mieritreritra hoe mety hahazo mpanjifa ve raha mbola misy gazety vaovao mivoaka indray? na gazety mivoaka isan'andro io na gazety mivoaka isa-kerinandro. Ahoana ny mety ho eritreritrao ho takelaka mbola banga eo amin'ny tontolon'ny fanaovan-gazety malagasy ka hahatafitra izay vaovao mikendry ny hahomby na ho tafiditra soa aman-tsara na hahaliana ny mpamaky ny zavatra avoakany? Ny vaovao amin'ny teny malagasy no tsara kokoa sa ny vaovao amin'ny teny frantsay?

 

Antitra mampiady kalo ka ny antitra antitra ihany

2008-04-20 @ 20:58 in Kolontsaina

Loza mihitsy ity fiakinandoha amin’ny aterineto ity, fa tsy hay kosa aloha izy ity na mahadomelina na mandranitra. Nieritreritra ny tsy hikitika solosaina aty an-trano mihitsy aho androany alahady, fa tsy maintsy mikirakira azy mandritra ny fotoam-piasana, ho karazana fialantsasatra saingy e-he, nipololotra indray ny aingam-panahy. Revo tamin’ny fandaharana Anim’Artista na dia tsy ampy atsasak’adiny akory aza izay nojerena. Avela any ny filoha sy ny fahatezerany tany Toamasina amin’ny “asa tsy mandroso” satria rehefa dinihina toa noho ny tsy nahazoan’ny Alma (Asa Lalana Malagasy) ny tsena no mety ho ao ambadika ho fanomanana ny saina rehefa tonga ny fotoana esorina amin’ny Shinoa ny tsena dia omena ny orinasany.

 

Fandaharana mandeha isan’alahady alina ao amin’ny tvm ity Anim’artista ity. Ny mampiavaka azy dia artista no asaina nefa artista ihany koa no manentana, na manasa sy manontany ny vahiny, tsy adino (samy hafa amin’ny noadinoina) anatin’izany ny talentan’ny nasaina fa mandravaka ny fandaharana eny ihany. Tsimialonjafy tokoa ny fandaharana satria hita ao avokoa ny karazam-boninkazon’ny kanto malagasy amin’ny ankapobeny avy amin’ny lafy valo sy isa-taranaka ihany koa, na tanora vao misondrotra io na ny efa antitra mitezotezo.

 

Mpanao vako-drazana ela nihetezana fantatra kokoa amin’ny anaran’ny tarika no nasaina tao dia ny tarika Ny Voninavoko izany, ary tao mazava ho azy ny lehibe nanorina azy dia i Dadagaby. Efa be taona tokoa saingy tsy manaiky gisitra haneho ny talentany. Tsiriry ahitra ve? Raozy mavokely? Sa Zanak’Iarivo? Santionan’ny hira ahafantarana ny Voninavoko izany. Mety ho efa nokaloinao ny hira aza saingy tsy fantatrao izay tena mpihira azy. Fa raha mpihira ny ampahan’hira firedon’ny mpijery fanatanjahantena Malagasy mpamelombelona ny iô! Iô! iô ôhô! Ianao dia tsarovy fa nosintonina avy amin’ny hira mitondra ny lohateny hoe raozy mavokely ianao izay.

 

Fa inona no nahatery ahy hanoratra noho io fandaharana io? Malaza dia malaza eto amin’ny tanàna amin’izao fotoana izao ny hira mampandihy fitombenana. Izay mihetsika iray dia io fipelipeliky ny malesa io no hisintonana mpijery. Manao azy avokoa ny bodo sy adala rehetra io hany ka na dia ry Francis Turbo sy ny Gothlieb aza boboka tanteraka, nampisy adihevitra azy ireo tamin’ny mpihaino mihitsy moa ny nilazan’izy ireo ny heviny momba ny dihy ankehitriny io. Rehefa be loatra tokoa anie ny sira mampangidy e! Endrey kosa fa hay tena misy fahafinaretana ny mahita dihy tsy ahitana io fampandihizana fitombenana io mihitsy. Revin’antitra ve izany? Raha izany dia efa antitra mihitsy aho.

 

Nahatery ahy hanoratra ihany koa ny mahatsapa fa tsy hahavory olona firy (eto an-drenivohitra) mihitsy ny mpanao vakodrazana raha hanao fampisehoana fa na izany aza dia misy ny lalana ahafahana manampy ireny mpanao vakodrazana ireny. Tsy hevitra vaovao fa fahita ihany rehefa misy ny fanasana amin’ny fampakaram-bady ka tiana hakotroka ny raharaha. Mba manasà ry zareo mpanao vakodrazana rehefa misy fotoana lehibebe hampisehoana amin’ny taranaka ho avy fa misy anie ny karazan-dihy an’ny Malagasy izay tsy mba mandeha amin’ny haino amanjery loatra e! Asehoy ny zanatsika fa manana izay antsika madio mangarangarana ihany koa isika malagasy na dia saiky ireo sarangan’ny tsy mpigalabona loatra aza ny ankamaroan’ireo mpanao vako-drazana ireo. Famporisihana azy ireo hanohy ny fitandroana ny kazarankira ihany koa ny fanomezana valinkasasarana ho azy ireo satria fandaniana ihany koa anie na dia ny mitondra olona maromaro aza e!

 

Tonga eny Ivato i Rossy [edit]

2008-04-17 @ 05:10 in Kolontsaina

Araka ny antso an-tarobia nataon'ny mpanakanto Rossy avy eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato dia tonga eto an-tanindrazana ny lehilahy amin'izao fotoana izao. Tamin'ny ora nanombohan'ny fandaharana kidaona maraina moa no niantsoan'ny lehilahy. Nolazainy ary fa miaraka amin'ny tarika miaraka aminy izy ka ny dimy dia teratany vahiny ary ny dimy hafa kosa dia malagasy. Milaza mbola hiresaka amin'ny tompon'andraiki-panjakana moa izy satria hajaina ny mpitondra fanjakana hoy ny tenany. Asa rahoviana izany no hotanterahina ny fampisehoana ataony eto an-tanindrazana?
Ny fanampim-baovao nataon'ny mpanao gazety no nandrenesana fa ny hihaona amin'ny filoha Ravalomanana no tanjony voalohany. Karazany tampoka ihany izao fahatongavany izao ka mety tsy hampino anareo nefa dia ren'ny mpihaino rehetra io. Marihina fa tsy misy tokony idiran'ny zavatra hafa ankoatra ny zavakanto ity resaka ity, ary zavakanto irery ihany.

 

Albert Rakoto Ratsimamanga: Tsy raharahan’ny fanjakana?

2008-01-03 @ 06:53 in Kolontsaina

Dia hihomehy angamba ianareo raha ilazako hoe ny tohiny indray no nivoaka talohan’ny fanombohana. Nefa dia izay indrindra no nitranga. Ity lahatsoratra (na ny marina kokoa ireto sary ireto) no tokony ho talohan’ny faran’ny taona teo (ny angolanao Ratsimamanga) fa noho ny fanadinoana dia niantsoromianotra ny fanehoana ny sary. 



Tamin’ny roa ora sy sasany mahery aho no tonga tao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina. Efa nandeha ny hira mahafinaritra ny mihaino azy indrindra fa ny zavamaneno tendrena. Mahafinaritra sy sofina aok’izany ny mandre feonkira vahiny tendrena amin’ny valiha sy ny korintsana ary ny ampongatapaka. Noho ny fandrosoana moa dia tsy maintsy niasa ihany ny vatamarolafy (synthetiseur ho an’ny mahay teny malagasy ihany) saingy noho ny fo efa babo angaha dia tsy nahita izay lesoka ny tena, sady tsy dia havanana loatra amin’ny mozika rahateo. Gaga aho fa nifandimby mitendry ny hirany ireo tarika roa samihafa nefa dia tsy nisy fanolorana mihitsy teny an-tenantenany teny. Hay moa ka…



Lasa ny fotoana maromaro, nandray fitenenana amin’izay ny mpanolotra namerina ny fiarabana. Dia natao moa ny fombam-piarahabana mahazatra ny malagasy ary dia niteny i Di Rahaingosoa hoe: anatin’ny fitenenana dia misy ihany koa ny fialan-tsiny. Efa dila ny 20 minitra nifanarahana ka dia tsy maintsy atomboka ny fotoana. Malahelo dia malahelo ny vady navelan-dRatsimamanga raha mahita ny havitsian’ny olona tonga. Nihevitra izy fa tsy nahavita ny adidy nankinina taminay izahay tamin’ny fanapariahana tany amin’ny fampahalalam-baovao isan-karazany ity fotoana izay tsy misy vidim-pidirana ity. Efa nitety ny haino aman-jery ihany nilaza, ary efa nandefasana filazana avokoa ny fiangonana rehetra hahamora ny fandrenesan’ny rehetra ny fisiany saingy tsy tratra ny kinendry. Mety ho ny fanomanan’ny olona ny fety ihany koa no mahatonga ny tsy firaikan’ny olona na noho ny orana tsotra izao (avy mitsitapitapy hatrany ny orana na dia tsy nivatravatra loatra aza).




Ny tena nampalahelo dia tsy nisy solontenam-panjakana tonga mihitsy tao na dia iray aza (tsy nisy na solontena aza). Olomangan’ny firenena anefa no tsarovana sady Malagasin’ny taonjato XX mihitsy aza saingy… maro aza ny firenena tsy mba manana olona atao maodely ka mindrana ny an’ny hafa fa isika Malagasy efa manana olomanga amin’ny sehatra misy azy avy tsirairay avy saingy…Dia lasa ny eritreritro (izaho mpanoratra) hoe efa nahita ihany aho tany anaty boky tany (Madagascar le duel?) hoe tamin’ny fotoana nahafaty an-dRatsimamanga dia ninia nijanona tany Parisy ihany ny filoham-pirenena tamin’izany fotoana izany satria taranaka Padesm izy raha mpitolona mafana fo tao amin’ny Mdrm kosa ity nodimandry. Fanahy iniany mihitsy ho voalevina ny razana vao nitody an-tanindrazana izy. Fa ny an’ny mpitondra ankehitriny kosa, inona ny kakainy tamin’ity Olomangam-pirenena ity? Sa ve hoe aleo ny lasa homba ny lasa fa ny hoavy ihany no banjinina?


Efa niteny ihany koa moa ny mpanolotra hoe tsy hitahita ihany koa ny haino amanjery mba hampitan-kafatra ho an’ny vahoaka tsy mandady harona. Nisinsy ihany aloha ny mpaka sary tao fa mpaka sary fankam-bola angamba no tena betsaka tamin’izy ireo. Nisy fa tena vitsy tokoa ny mpaka sary handrakotra ny fitantarana ny fihetsiketsehana natao. Izaho moa tsy nanana fakana lahatsary, nisy naka aloha tao, fa raha tsy izany fifaliambe ho ahy ny nanana ny zavatra tsy maintsy ho vitsy mpanana tahaka ny nakana iny fotoana iny.


Na izany aza dia maro ihany ireo olom-baventy fantatry ny olona nanatrika toa ny Pasitera Andriamanjato Richard, ny Jeneraly Désiré Phillipe Ramakavelo, Ranjivason Jean Theodore, Odette Rahaingoson, Nalisoa Ravalitera, Suzy Ramamonjisoa, Ratrema William, William Rabemananjara sy ny hafa mety ho tsy tadidiko.



N
y tohin-dresaka moa dia efa nosoratako tany amin’ny “Ny angolanao Ratsimamanga any”.


Fa rehefa nivoaka moa ka saiky haka sary somary lavidavitra kokoa ny anoloan’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena dia ny atsanga no tena nanaitra (ireny ranontany sy ny fako izay mety miaraka aminy ireny nokaohin’ny riaka avy any Ankadilalana ireny no atao hoe atsanga raha tsy diso aho). Asa be hatrany hay no miandry ny Kaominina isaky ny avy ny orana raha tahaka izao k’ty. Fa mbola tanatin’ny fety moa ka dia sahirana amin-javatra hafa ny mpiasa e! i Mahamasina sy ny manodidina azy ity aloha hitako tena olona foana isaky ny orana e!

 



nosoratan'i jentilisa tamin'ny 3 janoary 2007
Nisy moa ny nangataka ny momba an-dRatsimamanga, ataoko fa hanampy azy ireo ity lahatsoratra tao amin'ny madagate ity.

Ny angolanao Ratsimamanga (tohiny)

2007-12-31 @ 10:11 in Kolontsaina

Ity mpihira ity dia teo ampihirana ny hiran'i Dama Mahaleo tsy haiko lohateny iny fa misy ilay andalana manao hoe "indro misonenika ratovovavy iny". Hira fanentanana ny lalaon'ny Nosy tamin'ny 1990 izy iny raha tsy diso aho, fa mety ho diso mihitsy.

Ny sary hafa amin'ity andiany ity dia azonao jerena eto

Tsy diso fanoratra akory aho ary tsy diso famaky ihany koa ianao. Tsy ny angolanao ry Analamanga akory io nosoratako io fa ny Angolanao Ratsimamanga. Notontosaina tamin'ny alahady teo (omaly 30 desambra) tao amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena tokoa ny fahatsiarovana ny fahazato taona nahaterahan-dRatsimamanga ary dia naverina tao avokoa ny ankamaroan'ny hira nankafiziny na ny avy eto an-toerana na ny avy any ivelany.

 

 

Endrey ny mandre izany hira klasika tendrena amin'ny vahila sy ny gitara, ankoatra izay tsy maintsy hiraina amin'ny lokanga sy ny mozika be. Antokom-pitendry mozika roa samihafa rahateo no tsy miala eny ambony sehatra ka toy ny mizara roa miavaka tsara io sehatra ambony io.

 

Ny sary 15 hafa amin'ity andiany ity moa misy ireo mpihira  dia azonao jerena eto

Eo ambany kosa no diavin'ny mpanolotra sy ny mpiantsa tononkalo sy ny mpanolotra tarihin'ny filohan'ny Fimpima, sy ny Havatsa Upem ary ny mpanentana Atoa Lalao, heveriko ho filohan'ny fimpimi ihany koa nefa aleo angambaina fandrao diso izany (miala tsiny fa tsy tafiditro tanaty clé USB ny sarin'ny mpanolotra fa entiko amin'ny fiandohan'ny taona). Antsam-pitiavan-tanindrazana sy tantaran'i Madagasikara ary ny mombamomba an-dRatsimamanga no mibahan-toerana amin'izany tononkalo izany. Ny hira indray moa ankoatra ireo izay notiaviny dia saiky nalefa avokoa ny hiram-pitiavan-tanindrazana rehetra miandoha amin'ny hiram-pirenena, ny fanevan'ny mdrm ary ny "Madagasikara ho an'ny malagasy, malagasy ho an'i Madagasikara".

 

Ny sarin'ireo mpiantsa samihafa dia azonao jerena eto

Azo lazaina fa tsy manam-paharoa ny fampisehoana na dia tsy tonga avokoa na ny mpijery, ny mpitondra fanjakana ary na dia ny haino aman-jery aza ahiako ho toy izany ihany koa.

Fanamarihana: noho ny fanadinoana ny zava-dehibe amin'ny sary dia amin'ny fiandohan'ny taona ho avy io no entiko eto ny sary hafa manana ny lanjany noho ireto tongako ireto koa.

Nosoratana androany 31 desambra 2007.

Mirary fety sambatra ho antsika rehetra e!

Zipo sy pataloha

2007-11-20 @ 06:44 in Kolontsaina

Mba hafahafa samy lohateny koa izy izany, hoy angamba ianao eo ampamakiana ity lahatsoratra ity. Tsy izany manko fa nisy adihevitra izay tao amina fandefasantsary tsy miankina iray tamin’ny alahady teo. Resaka vehivavy miasa sy mikarakara tokatrano no tena tokony hiompanan’ny adihevitra. Raha ny mpamaky eto aloha dia ataoko fa mety tsy hisy akory ny hoe mpikarakara tokantrano akory. Misy fiankinana amin’ny fari-pahaizana ihany manko ny mahatonga izany filazako izany. Aleo aloha lazaina fa efa fizarana faharoa amin’ny lohahevitra io nalefa tamin’ny alahady io. Ny fizarana voalohany manko dia nanasany ny vehivavy hiresaka kosa indray, tamin’ity dia ny lehilahy no nasaina. Tsy ho any velively ny tiako itondrana ny resaka eto fa ny fomba fihevitra iray izay tena notoherin’ny mpanatrika rehetra indrindra fa ny vehivavy rehetra nanatrika teo tamina lehilahy iray tsy manaiky hiasan’ny vadiny any an-toerankafa ankoatra ny ao an-tranony. Izany no tena nitsamboatra avokoa ny vehivavy rehetra teo na ny mpikarakara tokantrano izany na ny efa miasa any amin’ny toeram-piasana rahateo moa. Fa angaha moa izany ihany? Ankoatra ny tsy fanekeny ny vehivavy mivoaka miasa dia tsy eken’ny sainy ho vadiny ny vehivavy tsy maotona, laviny tanteraka ny fanapaham-bolo ataon’ny vehivavy na vehivavy mibory volo sy ny fanaovan’ny vehivavy mipataloha ary rehefa manao zipo dia lava iny zipo iny.


 (tohiny)

Tsy misy mpandimby no tanjona

2007-11-13 @ 07:08 in Kolontsaina

Aretina mpahazo ny manam-pahaizana aty amin’ny tany mahantra angaha ity soratako etoana ity. Ny mpitondra fanjakana dia mifofotra mafy mba tsy hisy olona ho afaka mandimby azy fa raha misy manko izany dia loza mananontanona ho azy ny fiheverany iny olona iny. Tsy ny mpitondra fanjakana ihany anefa no mpanao izany fa hatrany amin’ny fampianarana ambony iray miankina amin’ny fanjakana etoan-toerana mihitsy.


Toy ny rafitra efa mipetraka hanakanana ny tanora tsy hivoatra ka hanana mari-pahaizana ambony noho izy no resahina eto.
 Efa mandeha moa fihodinana faharoa amin’ny taona voalohany ao amin’ny sekoly iray (tsy tiako hotononina aloha) ao Ankatso ao. Isan-taona ny salanisam-pahafahana tamin’io sekoly (faculté) io dia 10 amin’ny 20 ka eo ho eo amin’ny 100 no afaka amin’ny fihodinana voalohany ary eo ho eo (izany hoe manodidina ny) 50 kosa no afaka amin’ny fihodinana faharoa. Taona voalohany io, rehefa mandeha indray ny fanadinana hifindrana kilasy taona faharoa dia mihena ho 50 any ho any indray sisa no raisina hiakatra kilasy. Any amin’ny kilasy ambonimbony any dia zara raha misy 7 na latsak’izany aza sisa no hanohana ny fikarohany. Misy aza “famatsiam-batsy” (nahatratra fito tamin’ity taona ity) avy amin’ny fanaovana fanohanana fikarohana no tsy nisy mpandray intsony satria tsy nisy mpianatra tafakatra hatrany intsony. Io famatsiam-batsy io moa dia misy fandefasana ny mpianatra hianatra any ivelany mihitsy (Canada, US,…) saingy lasa ny mpampianatra indray no manao ilay fikarohana toy ireny hoe izy indray no mpianatra hanala fanadinana.  


Io sekoly io dia tsy fanadinana no hidirana ao ka hoe 100 no tafiditra eo amin’ny taona voalohany dia tonga hatrany amin’ny farany avokoa izy 100 ireo na ny latsaka kelin’izay fa efa ifanarahana mihitsy hoe tokony ho izao sisa ianareo rhefa toonga amin’ny taona fahaizao. Amiko karazana fitaka ihany ilay izy satria efa tonga any ambonimbony any ianao dia mety ho araraka fotsiny satria efa feno ny isan’ny olona tsara naoty kokoa noho ianao dia voatery mamerina kilasy ianao raha mbola mazoto hahaizanao bebe kokoa, amin’izay fotoana izay anefa dia na mihena be ny vatsy azonao na mety tsy hahazo intsony aza ianao. Eto indray aho dia hiverina hiresaka amin’izay saiky hosoratako. 


Eo ho eo amin’ny 100 no afaka fihodinana voalohany ary 50 kosa no afaka fihodinana faharoa amin’ny ankapobeny isan-taona, hoy aho tetsy ambony. Tamin’ity indray mandeha ity satria nianatra be ny ankizy dia 150 ny isan’ny ankizy tokony ho afa-panadinana fihodinana voalohany avy hatrany. Raha ny tokony ho izy izany, satria efa voafetra ho 150 ny isan’ny mpianatra raisina hianatra taoona faharoa dia tsy tokony ho nisy intsony io fihodinana faharoa io dia novana ny fanapahan-kevitra. Tsy izay mahazo ny salanisam-pahafahana no afaka fa ireo 100 voalohany ihany. Ny ankoatra izay dia mamerina fanadinana avokoa izay tokony hamerina. Eo no tena mahavariana. Ity tokoa no tonga amin’ilay teny hoe Antonoara (tsy haiko ny fanoratra azy amin’ny teny frantsay) politikam-panasivanana ny mpianatra malaza ho ataon’ny Oniversite eto Madagasikara fa mbola mitohy hatramin’izao. Eo no tsy mazava amin’ilay hoe Fakiolitey eto, misy famerana mpianatra tahaka izany angaha moa izy ity? Concours isantaona izany no banjinin’ny mpianatra ato amin’ity sekoly ity? Itarainana mandrakariva ny tsy fahampian’ny mpampianatra nefa toa ny fomba mihitsy no manao izay tsy hisian’ny mpandimby. Ry taranaka ô! Raha tahaka izao, ka manana fahafaha-manao ianao mandehana mianatra any ivelan’I Madagasikara aloha.

Bravo mbs

2007-11-08 @ 10:23 in Kolontsaina

Ilaina mandrakariva ny mitatitra zavatra tsara na dia ny vaovao ratsy aza matetika no manintona ny sain’olombelona kokoa. Raha any amin’ny firenena tena te-hampanjaka ny demokrasia ny mpanohitra ao aminy dia ezahina ampahafantarina ny hevitra rehetra mety hataon’ny mpitondra fanjakana hangalarany vato. Tamin’ity indray mitoraka ity kosa efa fantatra fa tsy hiditra amin’ny tsy zakan’ny tsenany intsony ny mpanohitra ka ny avy amin’ny mpanohana indray no mampahafatatra izay fomba hanaraha-maso tsotra indrindra sy azo tanterahina indrindra ny safidy natao.

 (tohiny)

Antso ho fampiroboroboana ny aterineto eto Madagasikara.

2007-10-30 @ 17:00 in Kolontsaina

Alohan'ny hametrahana ity hafatra ity izay tsy aritro fa apetrako eto ihany dia any amin'ny Vaovao Iraisam-Pirenena no misy ny lahatsoratra momba ny hala-jaza sy ny halatra taova.


Efa imbetsaka no voaporofo fa kinga amin'ny fikirakirana haitao vaovao ny eto Madagasikara. Hibaribary aminao rehefa mitety faritra ianao fa tsy voatery natokana ho an'ny sarangan'olona ambony monina an-tanan-dehibe ihany io fampiasana haitao vaovao io. Tsikaritra aza fa maro ny olona mahay mampiasa finday, VCD na MP3, MP4 ary mitady ny fomba rehetra ahafahana mampandeha ireny fitaovana ireny any amin'ny faritra maro tsy tongan'ny herin'aratra akory.

Hita taratra ao anatin'izany haitao maro izany fa fitaovana iray azo antoka ho enti-mampandroso an’i Madagasikara ny fampiasana aterineto.

 (tohiny)

Ny Fahafahamiteny no Kihondalan’ny Fandrosoana

2007-10-29 @ 06:38 in Kolontsaina

Efa hitantsika tany ambadimbadika tany ihany angamba fa nitohy ho Antananarivo mibilaogy 4.1 ny 4.0 tamin’ny alakamisy 18 oktobra 2007 ka tamin’ny Asabotsy 27 oktobra 2007 maraina teo no nanatontosana izany. Ny nahafaly moa dia nanomboka ara-potoana tsara ny fotoana ary ankasitrahana manokana amin’izany ny Namana Serasera Dago izay tonga maro tokoa nefa fantatra mazava fa solontena ihany ireo tonga ireo. Mbola montsana indray ny fahamaroam-pahatongavana tamin’ity indray mandeha ity satria 13 izahay no niatrikasa tao. Ny mahavariana amin’ity fihaonana mitohy ity dia voamarina indray ilay fitenenana frantsay manao hoe “il n’y a jamais deux sans trois”. Mbola hitohy ihany manko ny atrikasa ka hizara roa izany izay samy azo ifaneraserantsika ihany indrindra fa ho an’ny eto Madagasikara.

 (tohiny)

Fa naninona I Jeannot Ramambazafy?

2007-10-27 @ 16:34 in Kolontsaina

Hatramin’ny fahakely aho no mpamaky gazety ary naleoko aza tsy nihinankanina toy izay tsy namaky gazety na tsy nahavita boky ihany koa. Vao nanomboka nivoaka ny Madagascar Tribune dia mpamaky tsy tapaka azy aho no sady mpividy rahateo isaky ny Asabotsy satria izay no zakan’ny tsena. Ny zavatra iray tena nifidianako ny Madagascar Tribune dia izy irery tamin’izany no nahasahy tsy namoaka izany horoscope izany. Ny Horosfika hany mba famakiko taloha dia ny tao amin’ny akon’ny Aro (avy amin’ny trano fiantohana Aro mazava loatra). Ny antony dia tena fanalana azy ranofotsiny ny horosfikan’ny mpamaky tsirairay izany hoe natao hihomehezana fotsiny ilay izy fa tsy natao hinoana toy ny fanaon’ny tena mpamaky ireny horosfika ireny. Samy manana ny finoany sy ny tsy finoany rahateo ny rehetra. Ary tsaroako tsara fa tena famakiko ny lahatsoratry Jeannot Ramambazafy na dia misy aza ny fotoana mahalankalana ihany ny fotoana anoratany. Toy ny nanitikitika ahy ny zavatra nosoratany tamin’izany fotoana izany ary tsoriko fa ankoatra an’I Aimé Razafy mpamoaka sariitatra dia ny anarany ihany no hany tadidiko tamin’ny mpanao gazety tao amin’io famoahana io.

 (tohiny)

Vita Pazzapa dia miditra Raise your Voice

2007-10-26 @ 08:10 in Kolontsaina

Hiditra amin’ny famaranana ny Pazzapa V rahampitso sady io rahateo no prime faha-13. Araka ny filazan’ny mpanara-baovao moa dia tsy nahasarika toy ny taloha intsony ny pazzapa tamin’ity taona ity na dia mbola be mpanaraka aza izy. Tsy dia nisy loatra manko ny kotaba manaraka isaky ny vita prime isaky ny sabotsy ireny.Ny tena olana moa dia eo amin’ny resaka fifidianana amin’ny alalan’ny finday matetika.

Efa saiky tsy nisy ity andiany fahadimy ity noho ny fialan’ny Orange tsy ho mpanohana intsony saingy nahay nanararaotra niditra kosa ny Celtel. Izaho manokana moa mahita fa mety noho ny fahataran’ny sms ao amin’ny Orange (izay mety hahatratra 5 na 6 ora mihitsy aza araka ny efa niainana) no antony iray mandiso ny vatom-pifidianana amin’ny fanohanana mpihira iray io. 

 (tohiny)

Gilbert Raharizatovo: hamoaka boky momba an-dRavalomanana

2007-10-20 @ 07:37 in Kolontsaina

Iza moa no mahatadidy an’I Gilbert Raharizatovo ilay mpandray vahiny hiady hevitra tao amin’ny Radio nasionaly Malagasy isika tamin’ny fotoan’androny? Iza ihany koa isika no mahatadidy fa izy no nandresy tamin’ny fifidianana ho depiote tany amin’ny fari-pifidianana nisy azy ilay Malagasy nalaza tamin’ny resaka politika nandritra ny fotoana maro dia ny Pasitera Andriamanjato Richard izany? Ataoko fa efa nahare ny anarany farafaharatsiny ny Malagasy mpanara-baovao politika. Nangina ny lehilahy nandritra ny dimy taona, hay nikononkonona hamoaka boky somary lehibebe ihany. 

 (tohiny)

PolitikamPamonoana ny Teny Malagasy Ataon'ny Fitondrana Malagasy ankehitriny

2007-09-26 @ 08:36 in Kolontsaina

Tsy honohono na tsahotsaho na fanahiana fa tena miditra amin’ny famonoana ny teny malagasy tokoa ny fitondrana malagasy amin’izao fotoana izao. Ny gazety midi madagasikara tamin’ny sabotsy 22 septambra no nanambara fa novorian’ny minisitry ny fitsarana sady mpitahiny ny tombo-kasem-panjakana ny tonian-dahatsoratry ny gazety mivoaka isan’andro vitsivitsy teto Madagasikara.  

 

Nambaran-dramatoa minisitra tamin’izany ary fa hamoaka didy hitsivolana ny fanjakana. Io didy hitsivolana io (dekre) dia hametra ny gazety hany mahazo ny tolotra avy amin’ny fanjakana rehefa mamoaka tolotr’asa na fanambarana avy amin’ny governemanta na fanambarana ofisialy rehetra avy amin’ny fanjakana.

Voalaza ao anatin’ny famerana ary fa tsy maintsy mahavoaka isan-gazety 10.000 isan’andro io gazety io ary tsy maintsy mpamoaka teny ofisialy roa fahafahakeliny amin’ny teny ofisialy telo ananan’I Madagasikara io gazety io. 

 

Hendratra aho raha vao naheno izany. Iza moa no tsy mahalala fa ny gazety hany miteny malagasy no tsy tafiditra amin’izany, nefa ireo gazety ireo no be mpividy indrindra isan’andro? Ny olan’ireo gazety miteny malagasy ireo anefa dia ny tsy mba ahazoany dokambarotra avy amin’ny orinasa rehetra mihitsy. Ny ankamaroan’ny dokambarotra rehetra manko dia amin’ny teny frantsay avokoa. Efa masaka ao an-tsain’ny orinasa ihany koa fa izay mpividy gazety amin’ny teny malagasy dia tsy mba mahatakatra afa-tsy iny gazaety iny ka vola very maina raha mitonantonana manao dikambarotra any. 

 

Dia ny fanjakana eritreretina mba hanampy ireo gazety teny malagasy ireo indray ity no vao maika mampivoitra izany fomba fisainana manao valalan’amboa ny teny malagasy izany. Nantenaina hanery ny hafa aza izy mba ho ny gazety mpiteny malagasy ihany no amoahana izay tian’ny fanjakana avoaka izay, zavatra aloa vola manko izany mba ho fanohanana ilay teny malagasy, nefa dia nivandravandra fotsiny aho sisa. Farafaharatsiny mba ho ohatra halain’ny rehetra tahaka nefa dia nanara-driandrano tahaka ny deba rehetra ihany. Tena adala aho izany miezaka mandika teny isan’andro ilay sehatra iraisam-pirenena Global Voices noho ny fitiavana ny teny malagasy fotsiny. Adala aho izany raha eto amin’ny vavahadiben’ny blaogy.com no mamoaka lahatsoratra ihany koa na dia misy mahafinaritra aza any an-kafa any.

Dia tsaroako tato anatiko indray ny tononkalo navoakako efa folo taona mahery lasa izay ary avoakako ho hitanareo rehetra anio: 

 

Ny azy sy ny anao 

 

Dia noraisinao ho adidy

Ny nisafidy

Rehefa nolanjalanjainao

Ny vidin’ny azy sy ny anao 

Ny azy no dradrainy

Ho tena ilaina

Sy antenaina

Hampivelatra ny saina

 

Ny anao ny misoko

Dia tenim-poko

Tsy notinoky

Hamoky fahendrena 

Ny azy no sahaza

Satria tsy misy ny toa azy

Sady io no fampiasa

Eo anivon’orinasa 

 

Ny anao tsy naranty

Fa nasahato

Mbola velona efa maty

Satria fiteny lany daty 

 

Ny azy no isasarana

Ianarana

Hanome fiadanana

Raha itoeran’ny fitiavana 

 

Ny anao hatramin’izao

Tsy tiana hihavao

Sao

Mandiso indray ny safidy natao 

 

Ny azy no nomena

Ampandresena

Eto amin’ny firenena

Ho mariky ny fahaleovantena 

 

Ny anao ampandeferina

Ka menomenona

Ny iny tokony aherina

No hany averimberina 

 

Ny azy anefa no kendreny

Mba ho fiteny

Iresahana ombieny

Na dia efa antitra aza 

 

Ny anao no tian-kavela

Ho rakitry ny ela

Ka nony toy ny rova may

Vao milelalela ny tahaka izay 

 

Ny azy mihamahery

Mihabe voho

Ny anao mihavery

Satria valalan’amboa 

 

Ny azy izay tratra

Ny hareny

Ny anao mihamahantra

Mahonena 

 

Jentilisa, nosoratana tamin’ny 19 desambra 1995

 

Ny fanafintohinana momba ilay emeraoda milanja atsasa-taonina teto Madagasikara hita tany La Réunion izao no maresaka teto amin’ny tanàna androany.

Shinoa mampiseho ny fahaizany

2007-09-10 @ 16:07 in Kolontsaina

Feno ny afisin’ny fampisehoana hataona mpanakanto Shinoa sivy mianadahy tsy misy fantatry ny Malagasy loatra ny toerana natokana ho amin’izany tamin’ny herinandro lasa teo. Heverina fotsiny fa manana ny lazany ireo olona ireo araka ny naverimberina tamin’ny dokam-barotra. Mpihira sy mpanao hakingan-tanana no fahaizana manokana ananan’izy mianadahy avy ary nisy aza ny efa tompon-daka tamin’ny fifaninanana hakingan-tanana tany Monte-Carlo. Na dia tsy liana loatra aza aho ny hanatrika izany fampisehoana izany dia te-hahafantatra kosa hoe manao ahoana ny hamaroan’ny olona ho avy amin’izany fampisehoana izany. Maimai-poana manko ny fidirana ary ny Media Consulting fantatra amin’ny fikarakarana fampisehoana rahateo no nalain-dry zareo hanatontosa azy. Raha nisy vidim-pidirana manko dia mety ho sahirana ry zareo fa ny olona tsy hiditra amin’izany fampisehoana tsy misy artista tena fantatra akory. 

 

Ny alahady hariva ary no nanaovana fampisehoana tao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina. Asa izay mahatadidy fa nampahatsiahy ahy ny fampisehoana hakingana sy fahaizan’ireo mpanao Cirque Sovietika nandalo teto tamin’ny andron’ny revolisiona ity tantara ity. Tamin’izany fotoana izany dia tena nihiboka tokoa ny Malagasy ka tsy tena maharaka ireo mpanakanto malaza tamin’ireny hany ka izay vahiny mandalo dia mampirohotra ny olona hijery fampisehoana mivantana. Televiziona tokana no nisy tamin’ny androny fa izao kosa efa miaina amin’ny fahamaroan’ny haino aman-jery isika. Noho izany tsy maintsy mafonja kokoa ny fampilazana ny fisiany amin’ny olona. Azo heverina fa tafita ny hafatra ka tsy mahagaga raha be no tonga na dia hizaha fotsiny aza. Fampisehoana baojo izany ve? Saingy be no diso fanantenana. 

 

Izaho raha vao maheno hoe maimai-poana dia ny fahamaroan’ny sarambambem-bahoaka no tao tonga an-tsaina avy hatrany. Dia azo eritreretina ihany koa fa be no handalo fotsiny. Na izany na tsy izany, ho an’izay vonona ny hijery dia mila miala aloha any an-trano ka mamonjy izay toerana tsaratsara ijeren’ny tena. Mazava loatra fa tsy ho ny hira mihitsy no tena hahatongavan’ireo olona ireo. Angaha moa eto Madagasikara misy mahalala izay hira malaza misy any Shina any? Ny Shinoa manaraka ny vaovao misy any an-tanindrazany angaha no haharaka izany? Ny hakingan-tanana araka ny eritreritro no tena anton-dia afa-tsy hoe mba mahafinaritra angaha ny mihaino ny feon’ny hira. Nefa hay efa nisy ny tapakila nozaraina mialoha mba hamerana dieny mialoha ny olona ho tafiditra ao amin’ity fampisehoana ity. Iny indray no tsy hitako, hoy aho anankampo. 

 

Raha sainina tokoa dia mety ny hevitra mba tsy hahamaty hasina ilay lapa. Tsy tafiditra izay tsy nieritreritra ny fisian’ny tapakila. Tsy ho hipoka manempotra ihany koa ao. Mampiaiky ahy ihany moa ny sasany amin’ny tsy fanajana ny lalàna mipetraka. Betsaka ny manaja ny hoe tsy azo ifohana sigara ao amin’ny lapa fa tamin’ny famaranana basket tamin’ny lalaon’ny nosy iny no nahitako fa tsy misy miraharaha izany tsy fifohana sigara izany ny maro amin’ny tanora mpifoka (sa ny mpankafy basket ihany no tena madi-doha?) no tsy mety fa asiana tongotra foana ny seza fiankinana. Amin’izay fotoana izay ihany koa dia tsy tokony hisy olona hipetraka eny amin’ny tohatra fiakarana sy fidinana ahafahana mivezivezy tsara. Mazava loatra fa tsy ho tafiditra mihitsy ny maloto akanjo isan-karazany. Misy ny lafiny mahatsara izany nefa misy ihany koa ny lafiny maharatsy azy. 

 

Aleo aloha lazaina fa feno tsara ny lapa, mahavariana ny mijery azy amin’ny fahitalavitra hoe fampisehoana maimai-poana ve dia olona mihaja avokoa no hitanao ao? Misy tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena ihany koa manaraka izany. Ny minisitry ny raharaham-bahiny malagasy sy ny masoivohom-pirenena shinoa no tena fantatra amin’izany. Ny olo-tsotra malagasy tonga teny tsy nisy nanana tapakila ka tsy tafiditra hany ka maro ny tezitra. Saiky nisy mihitsy aza ny fifandonana. Tsy ny mpankafy basket aloha no maro an’isa ka tsy nisy namaky ny vavahady e! naleo nionona tamin’ny fodiana sady mbola kely rahateo ny ankizy ary na malahelo aza ireo tsy misy na inona na inona hafa azo atao ankoatra ny fanambatambazana amin’ny hanina angaha. 

 

Na izany na tsy izany tsy ratsy tsy akory ny fampisehoana. Mahavariana aza ny karazan-kira fa mila hisy itovizana amin’ny hiran’ny taona 60 nefa mitady hisy fifandraisany amin’ny hira revolisionera ihany koa. Ny feony ihany no lazaiko fa tsy misy mahalala izay tonony any na dia mazava be aza ilay teny shinoa iresahan-dry zareo (ho an’izay mahay azy). Mahay mihira ry zareo ary hita miharihary fa anarivony taona ny sivilizasiona nodiaviny. Tsy ambaka amin’ny hira tandrefana (taloha sy klasika) ihany koa na dia izany aza fa tsy nahitako hip hop na ngadon-kira ironan’ny tanora maro kosa. Angamba kolontsaim-panoherana ireny ka tsy tiany ampitaina loatra na mety ho voarara mihitsy aza na andeha atao hoe tsy amporisihana ny fihirana azy. 

 

Tsikaritra ihany koa fa ny petatsanga araka ny filaza no tena nameno ny toerana maro tao amin’ny fampisehoana fa ankavitsiana ihany ny Malagasy. Tsy mahagaga raha ny teny Shinoa no tena nanaovana fanolorana na dia nanao izay ho afany ihany aza i Gothlieb amin’ny fanolorana amin’ny teny malagasy. Vahiny eto amin’ny taniny indray ireo malagasy mba tafiditra tamin’io fampisehoana io. Nihevitra aho hoe maka ny fon’ny Malagasy izy ireo amin’ny fanaovana fampisehoana sahala amin’izao hay lasa karazana fihaonan’ny Shinoa rehetra indray aza no mitranga. Ie! Tena mihamaro tokoa ireto Shinoa ireto eto Madagasikara an! Hita ihany koa fa tena Be resaka ireo izay hita tao…

Scoop: Laza adina Bacc mivoaka mialoha?

2007-07-16 @ 13:55 in Kolontsaina

Malaza ankehitriny moa ny momba ny laza adina Bepc nivoaka mialoha teo. Ankehitriny aho dia hilaza izay fantatro sy hitako ny amin’ity raharaha ity. Tsy ny tamin’ny farany teo ihany fa na dia ny teo aloha aza.

 

Efa hatramin’ny ela no nisy hatrany io laza adina nivoaka mialoha io ary tsy ny Bepc aza no malaza amin’io fa ny Bacc indrindra indrindra. Tsy re na tonga any amin’ny mpampahalala vaovao izany fa eo amin’ny samy mpianatra no tena miampita. Nampanontany tena mihitsy hoe ahoana ary no ahafantarana mialoha sahady ireny laza adina ireny? Indray atoandro aho (efa nianatra teny amin’ny anjerimanontolo aho tamin’izay) dia nahita teny amin’ny tany malalaka iray akaikina foibem-panadinana ankizy maromaro miara-mijery laza adina matematika an’ny vondrona A2. Dia misy iray amin’izy ireo manorotoro ny famahana ny olana. Notadidiako mihitsy ny ankapoben’ny laza adina. Tonga ny hariva firavan’ny mpiadina dia nanontany ankizy aho mba hijery ny laza adina nataon’ny vondrona A2. Nitovy tsy nisy valaka tamin’ny nohadihadian’ny ankizy niaraka mihitsy ilay laza adina. Teo aho vao nanaiky fa tena misy tokoa ny fivoahana laza adina mialoha. 

 

Dia nampitamberina ny tamin’ny fotoan’andro nanalako Bacc aho avy teo. Izaho moa dia nanaraka ireny fampianarana fanampiny ireny tamin’izany fotoana. Dia nahatadidy aho fa rehefa amin’ny faraparan’ny fotoana dia manome laza adina sarotsarotra ireo mpampianatra no sady namerina ingahy mampianatra fa mifanahatahaka amin’io ny laza adina mety hivoaka. Tsy dia niraharaha izany loatra moa aho fa dia nianarako tsara avokoa ny zavatra rehetra (amin’ny matematika io). Ny mpiara-mianatra tamin’izany moa no nanamarika fa matetika ny laza adina farany amin’ireny fampianarana fanampiny ireny dia maro itovizana amin’ny laza adina mivoaka hatrany. Inona no antony? 

 

Ingahy minisitry ny fampianarana sy ny tompon’andraikitra sasany moa dia nilaza fa sarotra ihany ny antony mety hivoahan’ny laza adina mialoha. Ny rafitra napetraka no manamarika fa ireo izay manao ny laza adina dia avahan-toerana 40 andro mialoha no sady tsy mahazo mifanerasera na amin’iza na iza eny fa na dia ny mifampiantso aza. Matetika io fitenenana io no ilazan’ny tompon’andraikitra fa tsara ny faaraha-maso ny mpanao laza adina. Io indrindra anefa no nahitan’ny sasany hevitra.  

 

Mpiaramiasa ka mifankafantatra ny mpampianatra ka samy mandefa na samy manana ny laza adina omaniny ho amin’ny fanadinana. Matetika mifampihaona izy ireo ka mifanome sopapa any alohaloha any. Ny sopapa eto dia hoe raha tsy hita tampoka aho dia ireto ny laza adina hataoko any amin’ny fanadinana. Dia mifampiandriandry eny ry zalahy sy ry zavavy mpampianatra. Koa raha misy mpampianatra tsy hita elaela dia samy kaopy araka ny fitenenan’ny tanora azy ny rehetra. Ary ataoko fa azonareo amin’izany ny tiako lazaina. Noho izany: efa karazan’ny lany andro ihany ny fanaon’ny mpiandraikitra fanadinana hatramin’izao fotoana izao raha io fomba nolazaiko io ihany no tohizan’ny minisitera. Mety ho tetika hafa koa moa ny manavaka amin’ny efitra iray mpiadina tsy misy akory fa ahafahana mahazo mialoha laza adina no tena tanjona nefa vinavina ihany ity faharoa ity ary ny sefon’ny foibem-panadinana no afaka manao izany aha tsy hoe efa misy omena azy ireny mialoha.

Ny teny malagasy sy ny landy (fampirantiana)

2007-06-14 @ 10:03 in Kolontsaina

Ao anatin’ny iray volana entina hanandratana ny teny malagasy indray isika amin’izao volana jona izao. Mihetsiketsika fatratra anatin’izany ny mpandala ny teny malagasy. Amin’ity indray mitoraka ity dia fampirantiana roa no hotontosaina eo amin’ny Tahala Rarihasina Analakely zary toeram-pamantarana rehefa misy kolontsaina malagasy tian-kaseho ny be sy ny maro.

 Ny voalohany dia momba ny lamba landy sy ny teny malagasy izay haranty mandrapahatongan’ny rahampitso zoma. Voasoritsoritra avokoa ny vokatra malagasy avy amin’ity landy ity sy ireo faritra tena malaza amin’ny fiompiana (fikarakarana manko e !) landy.Ny faharoa kosa dia momba ny voambolan’ny fihariana sy ny fandraharahana ary ny asa ao anatin’ny teny malagasy. Mbola ho avy moa ity faharoa ity ka tsy hitako loatra izay ambara aloha.

 Raha vao nampifandraisina ny resaka landy sy ny teny malagasy dia miantefa any amin’ny resaka ohabolana avy hatrany ny eritreritra. Misy vitsivitsy tokoa ireto azo zaraina eto :

  • Saro-tiana toa landy mohaka
  • Ambarivatra an-tanimena : mavomavo ihany fa tian’ny landy
  • Tahaka ny lambamenan’i Vonizongo : ny maty fonosin-dambamena ary ny velona arahim-potsimbary.
  • Folihala mampita hady : ny tsinay no fetra
  • Aza atao fihavanam-bato : raha tapaka tsy azo atohy ; fa ataovy toy ny fihavanan-dandy : raha madilana azo tohizana.
  • Fitia landy ririnina : tohinina vao mihabary maso.
  • Ny fihavanana toy ny landy : maty isika ifonosana, velona itafiana, ka ny madilana arahim-panondro.
  • Lamba landy nasoka hodi-nato, mamerina indroa manana ny antitra
  • Tiako tahaka ny lamba landy : hitafiana raha mangatsiaka, hisampinana raha faly, hisalorana raha malahelo.

 Ireo faritra tena malaza amin’ny fiompiana sy ny famolesana landy indray moa dia eto Imerina, any Isandra ary any Androy. Ny any Androy dia toerana tokana no mpanao azy dia ny ao amin’ny kaominina Ambondro, fokontany misy ny Tsimanankariake sy ny ny Marosy samy avy amin’ny Ntelamitihy izay eo amin’ny 27km miala avy eo Ambovombe Androy. Misy karazany dimy ny lamba mivoaka avy amin’ny fanenomana landy ao amin’ity faritra ity (efatra ihany no nosoratany) dia ny :

  • Lambalande
  • Mandia vola
  • Lamba firake
  • Sokotry (salaka)

Ny mandia vola moa dia natao lamban-databatra tao amin’ny fampirantiana tao. Ny lamba firake no fanaovan’ny olona tsotra mianjaika (fa lambavositse kosa no fianjaikan’ny mpanjaka ary tsy nosoratany teo amin’ny fampirantiana). Nomarihin’ilay nanontaniana fa avy amin’ny lokon-kazo avokoa no andokoana ny lamba (ka izay no mahabetsaka ny loko volontany lokonkazo sy mainty amin’ny lamban’Androy). Ny fitaovana ampiasainy hanamboarana ny lamba moa dia ny lande, ny hasy ary ny hafondramena (naveriko nosoratana araka ny nanoratany azy mihitsy moa).

 Ny tao Isandra kosa dia nomarihina fa tamin’ny andron’AndriamanalinaI no tena nampalaza ity resaka ity tany. Izany hoe azo marihina fa taloha na niara-dalana tamin’ny andron’Andrianampoinimerina araka ny fahalalako azy. Ambalavao be lamba landy angaha no foibe itoerany. Misy karazany enina indray ny lamba nampahafantarina ny be sy ny maro avy amin’ity faritra ity. Rehefa jereko dia ny lokony no tena itondrana ny anarany nefa asa izay tena marina :

  • Sarimbo landy (mitsoriadriaka mena, volombatolalaka, vony ary manja)
  • Lamba lahasa manga
  • Lamba mena
  • Arindrano landy (mitsoriadriaka mainty sy mena)
  • Tokotsisina ( miakotso mainty sy mena)
  • Arindrano landy mainty (mitsoriadriaka mainty madinika)

 Ary ny eto amin’ny faritr’Imerina ihany koa moa dia fantatra tamin’ny anarana hoe Soherina ny bibindandy. Radama rainy no nandefa mpianatra hiofana manokana ny fanenomana lamba landy. Jean Laborde koa liana tamin’ity taranja ity ka nampiditra karazana bibindandy vaovao amin’ny eto an-toerana. Amin’izao fotoana izao moa noho ny fandrosoana dia efa misy karazany ny lamba landy naseho ny olona liana. Tsy voatery izay novokarina fahiny ihany no tohizana fa mba mamoaka vokatra vaovao ihany koa ary dia efa manana ny anarana mahazatra ny malagasy maro izany :

  • Meja
  • Hasina
  • Irina
  • HaingoI
  • HaingoII
  • Ikala
  • Landy bakora

 Tao ihany koa no nisy sary maromaro mampiseho sarin’ny filohan’ny fikambanana mpikabary malagasy izay vehivavy amin’izao fotoana izao. Rtoa Andriamboavonjy Hanitriniaina R izay nisantaran’ny televiziona malagasy ny fandaharana JJejo tamin’ny faran’ny herinandro teo ka nandeha tao amin’ny zana-pandaharana jejo avo lenta. Sary vitsivitsy mampiseho ireo akanjo vita amin’ny lamba landy manontolo izay lasa haingo fianjaikan-dramatoa. Sary nahavalalanina ireo nanaraka ny fandaharana satria hainy tsara ny nampiaraka ny « hajejoana » sy ny fahamendrehana. Tsy nanao haingon’adala izy, nampiseho azy ho mpanara-damaody amin’ny didin-damba izy nefa hita tsara fa akanjo maneho ny mahamalagasy no anaovany. Indrisy manko fa raha mba tafavoaka teto ny sary. 

Sarimbavy, hono, ka hoe?

2007-06-05 @ 08:40 in Kolontsaina

Izay maharaka ny vaovaom-piarahamonina eto Madagasikara indrindra fa ny eto Antananarivo dia mahalala fa nihaona ny faran’ny herinandro tao amin’ny kianjan’ny Mahamasina ny ekipa iraisan’ny vehivavy mpanao gazety sympanakanto sy ny ekipan’ny sarimbavy tena izy.

 Mampihomehy ihany moa fa sariny ve moa dia mbola ho tena izy ihany. Raha izaho sy ny sariko dia samihafa mihitsy. Ny sariko natao ho karazana rakim-pahatsiarovana ihany amin’ny fotoana iray tiana hotadidiana sy homarihana amin’ny fotoana ho avy. Marina fa betsaka ny mihevitra ny tenany ho efa nahita ahy raha efa nahita ny sariko saingy tsy izaho no hitany amin’io fotoana io fa ny sariko ihany. Izaho indray dia amin’izao fotoana ahavelomako eto izao azo iresahana sy anontaniana ary ifandraisana amin’ny mahaizaho ahy, ny zavatra tiako ary ny zavatra ataoko.

 Ao anatin’izao fotoanan’ny fandrosoana izao ihany koa anefa dia azo lalaovina araka izay tiana atao ihany koa ny sary. Ny lalao an-tsary (jeux video) malaza amin’izao fotoan’ny sary sy ny fifandraisana izao no ilazako izany. Samihafa tanteraka na izany na tsy izany ny milalao amin’ny sariko sy milalao amiko. Mbola karazan-dalao anaty nofinofy ihany manko ny lalao an-tsary sy ny lalao ahafantarana ny faharerahana sy ny kitra vokatr’io lalao io. Ao anatin’ny lalao an-tsary dia karazan’ny moana ihany ianao fa amin’ny fiainana atrehinao kosa dia afaka miresaka sady maheno izay iresahanao ny afaka mamaly ahy tsara ihany koa ianao. Dia tahaka izay ihany koa ny amin’ireto sarimbavy ireto amiko. Na oviana na oviana tsy ahasolo ny tena vehivavy ireo sarimbavy milaza ny tenany ho tena izy (vehivavy ?) ireo amiko.

 Marihiko dieny eto fa ny lohahevitra resahiko dia amin’ny mahasarimbavy ilay olona aloha. Tsy miditra amin’ny lohahevitra hoe lehilahy mitady lehilahy hotiaviny toy ny vady aho eto na vehivavy mitady vehivavy ho vadiny fa ilay lehilahy te-hitondra tena sy hihevitra ny tenany ho vehivavy ka miakanjo sy manao ny fombam-pihetsika ahafantarana ny vehivavy. Ekeko fa mety hifamatotra akaiky amin’ny fironam-pitiavana no mety ahatonga ny safidim-pitafiana saingy iniako aloha ny mametra azy ho amin’ny fihetsika sy fiakanjoana ihany.

 Ny famoaboasana soratako dia ny mety ho antony nahatonga ilay olona ho sarimbavy. Ny valiteny fandreko naverimberin’i Francis Turbo moa dia ny hoe tsy ninian’ny ankamaroandry zareo mihitsy ny ho sarimbavy fa toy ny efa voajanahary ao anatin-dry zareo hatrany ambohoka mihitsy. Tao ankibo, hoy ny nolazainy, dia efa nirona tsikelikely ho amin’ny mahavavy azy ny toe-tsainy sy ny fizikany manontolo afa-tsy ny fitaovam-pananahana ihany no nahalahy azy. Taloha moa dia noheverina ho aretina ny mahatonga ilay olona hanana izay fironana izay fa efa niova izay fomba fiheverana izay ankehitriny.

 Raha amin’ny fihevitry Francis dia tsy safidy ilay nahasarimbavy azy. Eo izany no toheriko voalohany. Amiko dia vokatry ny safidy tokoa no nanaovany sarimbavy fa tsy « voajanahary » araka ny nolazainy. Mety ho marina ny hoe « voajanahary » tao anatin’ilay olona ny nahatonga azy ho sarimbavy nefa nisy safidy ihany koa ao ambadik’izay. Mety tsy ho izy no nametraka ny safidy fa ny reniny nitondra azy folo volana, moa io safidy io dia vokatry ny tontolo manodidina ihany koa ary mety ho avy amin’ny fahadisoan-kevitra.

 Eo amin’ny fitaizana ny zaza dia nomarihin’ny manampahaizana sasany fa eo amin’ny fahaterahany ka hatramin’ny fahatelo taonany no tena manorina ny mahaizy azy ny olombelona tsirairay. Efa nisy aza moa fandaharana nametraka fa raha tiana hanana ny mahaizy azy sy ho tsara fototra amin’ny hoavim-piainany ny olona iray dia tezaina amin’ny alalan’ny mozika sahady aza dieny mbola any ankibo. Eo koa moa ny hoe raha mbola liana tamin’ny fianarana ny reniny no nitondra vohoka azy dia matsilo saina kokoa izy. Tsy mbola haiko moa na tena marina izany na tsia saingy hoy aho hoe azo heverina tsara kosa ny fahamarinany na dia mety tsy ho tonga hatrany amin’ny fahamaotiana aza izany fahatsilovana mialohan’ny fotoana eo amin’ny zaza izany.

 Dia manao fampitahana eo amin’ireo fomba fihevitra roa ireo aho ary efa manana izay maharesy lahatra ahy bebe kokoa. Avy amin’ity fomba fihevitra faharoa ity no isintonako ny hevitro. Ny fiforonana sy ny fitomboana ao ambohoka dia miankina be dia be amin’ny reny nitondra azy. Impiry impiry moa isika no naheno hoe naniry lahy na naniry vavy ireo ray aman-dreny sasany. Matetika moa dia zanaka lahy no tadiavina fa misy ihany koa ny mitady zanaka vavy rehefa be zanaka lahy izy ireo.

 Nisy moa ny traikefa nataon’ny olona avy amin’ny endriky ny vohoka eo ampitondrana zaza ka manao hoe ity lahy na ity vavy. Ary eo ihany koa ny « akombohoka » (asa raha mety andikana ny echographie io na tsia fa dia toy ny foromporonina fotsiny ihany) izay itarafana ny mombamomba ny zaza rehetra ka tarafina avy amin’iny ny mahalahy ilay zaza. Rehefa tsy hita iny dia tsoahina ny hevitra fa vavy izany io zaza io. Kanjo indraindray dia nahay nanafina ny azy ny zaza fony tao ambohoka dia mety ho nandray anaram-bavy tsy fidiny ny zaza rehefa avy eo.

 Eo amin’ny famalian'ny zanaka tadiavin-dreniny izany amiko no mifototra ny safidin’ny zaza ho lasa lahy na ho lasa vavy. Na dia lahy avy amin’ny chromosomes XY aza no nitorotoroana azy tamin’ny voalohany nefa be tao an-tsain’ny reny ny hahavavy azy dia mametraka safidy efa mitongilana be amin’ny zanaka sahady izy. Hamaly eny ny reniny ny hahavavy azy eo amin’ny fitondran-tena ve ny zaza sa hanohitra kosa ary haneho fa lahy no namoronana azy ka hitoetra amin’izay mahalahy azy izay izy ?

Zavanisy nahatsikaiky vitsivitsy

2007-05-24 @ 16:13 in Kolontsaina

Ao anatin’ny fotoana mampihenjakenjana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena izao dia tsara angaha raha mba asiana fihomehezana kely indray na dia tsy mahay mampihomehy aza ny tenako. 

  • Asa angaha izay nahataitra ity ramose nampitady ohabolana malagasy misy teny hoe servieta. Tsy nisy nahita mihitsy ny mpianatra fa dia nionona tamin’ity ohabolana iray ity ihany : Servietan’anamalaho ve ka hamonoana vatotr’akoho.
 
  • Nisy olona mpiray ombon’antoka amin’ny orinasa iasan’ny tena ka mba misy mifanolo ihany avy amin-dry zareo any. Indray mandeha dia tahaka ny feno fofona famonoa-moka atifitifitra tampoka izany ny trano. Gaga aho ka saiky hitabataba hanontany hoe iza koa no nitifitra famonoa-moka amin’ny fotoana tsy misy moka ato ? Kanjo tadidiko tampoka fa ilay ramatoa hanatontosa ny adidiny tamin’io andro io no nahenoako ilay fofona. Andraso aloha rofiko akaiky fandrao manala baraka olona, hoy aho. Inona tokoa ! tena ny ranomanitr’ilay olona mihitsy angamba no…sa dia diso fiheverana ve izy hoe fomonoa-moka anie ity ataony famonoana fofona ity ?
 
  • Tamin’ity taona ity dia nisy zanaka mpitandrina tsy maintsy nalefa tany ivelany hotsaboina haingana. Tsy mba manana vola ampy ho amin’izany rangahy ka dia niantso vonjy tamin’ny mpiray sinoda. Dia tonom-bola no natao tao amin’ny fiangonana misy ahy. Tamin’io andro io dia 666.000 fmg no voangona rehefa natotaly. Avy hatrany dia nanampy vola Ar200 avy hatrany ilay mpaka tonombola fa mahakamo be ny mandre ilay isa (666). Tahotra sa ?
 
  • Tany Antsirabe indray, teo amin’ny manodidina io tsena lehibe mbola tsy vita io (ny tsenan’Asabotsy) dia nampipipy ny zafikeliny poritra ity ramatoa iray. Hitan’ilay mpangarom-paosy toa mibananaka angaha ny paosiny ka dia noharoniny tsy amim-pisalasalana. Henon-dramatoa tsara izany ary tadidiny fa mosoara maloto ihany no tao amin’io paosy noharonina io. Tsy taitra akory ramatoa na dia reny aza ilay tanana nangarona. Vao lasa teo amin’ny roa metatra ranamana dia niantso amin’izay ramatoa hoe : ento any fa tsy maninona dia sasao rehefa tonga any an-trano e ! Hitan-dranamana fa tsy nisy vola tao anaty mosoara (fanaon’ny any tokoa moa ny mampirina vola anaty mosoara ?) dia nariany ilay mosoara.
 
  • Fiarabe iray no maty no nibahan-dalana tao anatin’ny minitra maromaro. Antony lany gazoala ilay fiara nefa izy mpitatitra lasantsy ary feno ny « citerne » entiny. Tsy izany ve no atao hoe mangetaheta ambony lakana ?
 
  • Dia variana aho fa tsy mba tezitra amin’ny fanoherana loatra ny olona. Ny fanohanana ihany no tena mahatezitra ny maro ka dia hoy aho hoe tsy mba mety va raha miteny hoe « aza mahasoso-contre eo fa inona-contre no tsy aritr’itena-contre amiko ? ». Mifona aho raha nahatezitra anareo ny nosoratako.

Viva e!

2007-05-17 @ 09:35 in Kolontsaina

Asa raha tadidinareo ilay fanaovam-pahatsiarovana an’i Ravinala iny. Asa na fifanandrifian-javatra na mpamaky ity blaogy ity ny mpitantana ao fa vao nanoratra iny aho, ny ampitso ihany dia nanjary nisy soratra hoe « bientôt chez vous » teo amin’ny fijerena azy teo aloha. Omaly raha tonga tao an-trano aho dia nandefa horonantsarimihetsika indray  izy sady misy soratra hoe J-10. Azo heverina avy hatrany fa afaka folo andro omaly no handeha indray ilay haino aman-jery. 

 

Tsy mbola nilaza ny anarany izy ao fa taiza kosa no nahitako ny anarany ? Dokambarotra eny amin’ny arabe amin’ireny tabilao lehibe ireny : Sarina tranoavo alaina sary avy aty ambany ka toy ny fotony ny sary tanana maromaro toy ireny mankalaza amin’ny fivavahana ireny. Mampahatsiahy sary avy hatrany rehefa mpamaky ny bokin’ny antokom-pivavahana sasany : Mankalaza an’i Babela ve ? Babela ilay malaza ao amin’ny baiboly ho nananganan’ny olona tilikambo avo manambara ny asan’olombelona sy fitadiavany rehareha.

Nefa sary nitsipelika tao anaty fotsiny iny fa tsy inona tsy akory. Viva no anarana lehibe napetrany teo ambony miaraka amin’ny tarigetra manao hoe « vivez l’evenement chez vous » ! Ra-vina-la izany no lasa Viva Amin’ny 26 mey izany mijery na tonga tokoa izy na tsia !

Voin-kava-mahatratra, hono, e!

2007-04-26 @ 07:09 in Kolontsaina

Dia rahampitso hariva moa izany no hanatontosana ilay fampisehoana heverina hanampiana ny mpiray tanindrazana tamin’ireo rivo-doza farany teo. Zava-panaon’ny Malagasy rahateo izany ho fifampitsimbinana eo amin’ny mpiara-belona. Malaza ho olon’ny fo rahateo isika ka izay manjo ny havana dia tahaka ny manjo ny tena ihany (moa tsy izany rahateo no dikan’ny lohateny ?). Tiako izany ny manamarika dieny mialoha fa ankasitrahako ilay fihevitra hanampiana ireo tratran’ny voina eto amin’ny firenena na dia efa tokony hisy ihany koa ny tetibola natokana ho amin’ireny voina ireny araka ny fahalalako azy.

 Fa manahy dia manahy aho ny amin’izay mety ho vola voangona amin’io andron’ny rahampitso io. Artista maro moa no hanentana sy hifandimby eo an-tsehatra mandritra io fotoana io. Heverina sahady izany fa sarotra ny haka ny any ampaosin’ny olona amin’izao ka dia asiana famalifaliana izay olona tsara sitrapo aloha. Toy ireny hoe tsy maintsy misy takalo daholo ny zava-drehetra. Ambara isan’andro sy manana fotoana manokana indrindra amin’ny radio sy ny televizionam-panjakana moa ity fampisehoana heverina ho entina hanampiana ny rahalahy sy anabavy ity. Fa ilay fikarakarana mihitsy no misy olana amiko.

 Voalohany, maro loatra ny artista handray anjara nefa ny sehatra tokana ihany. Tsy tian’ny mpijery loatra anefa, indrindra fa amoahany vola, ny hiandrasana mpisehatra iray ankafizina mihira hira roa raha be indrindra dia izay no izy, tsy azoazony loatra ny hafa ohatra. Efa fantatra manko fa hira iray ihany no tena iraisana fa ny ankoatra izay dia mifandimby. Ny tamin’ireny fetim-pirenena ireny anie ka fialam-boly tsy ialam-bola ka dia mijanona ny olona fa ny handaniam-bola no hifandimby tahaka izany dia manahy ny tsy fahombiazana aho.

 Faharoa, eo amin’izay fifandimbiasana izay indrindra dia samy manana ny fahaizany mitendry ny mpitendry ny zavamaneno. Samy manana ny hanaovany  ny lakilen’ny hirany. Eny, mety ho samy manana ny zavamaneno manavanana azy ihany koa aza. Izany hoe na dia ilay  fifandimbiasana aza izany dia efa mety ho fandaniam-potoana tsy amin’ny antony. Eo no tena miasa ny mpanentana amin’ny famenoana ny banga. Raha 16 ny isan’ny artista hifandimby dia tokony hieritreritra ny resaka rehetra atao ao anatin’ny fifandimbiasana in’16 izany ny mpanentana. Izaho anefa efa nandre ihany ny Foy hehy manentana fa tsy ankafiziko loatra ny fanaovan-dry zalahy azy. Misy ihany ny tsara ataony fa be loatra no tsy azoazon’ny aiko izany ny mihaino azy, izaho izay malala-kevitra be ity !

 Tsy mety ny mitsikera fotsiny fa ny soso-kevitra (efa tara be !) no atolotro. Misy gadona samihafa ihany ny hira ary raha azo natao ihany koa aza dia misy ny fahiny sy ny ankehitriny. Raha olona malala-tanana no tena tadiavina dia olona efa lehibe no tena andrasana amin’izany, manana ny karazan-kira tiany ireny olona ireny ary amin’ny ankapobeny dia tsy mahazaka loatra ny tabataban-kira ankehitriny sy ny mozikany ry zareo. Tokony hanana efitra manokana ho an’ny tia azy ny kalon’ny fahiny. Misy ihany koa ireo tia ny hira mafana fotsiny ka mandihy no tena tiany, tsara mba manana ny efitra ho azy koa ireny karazan’olona ireny. Tsy azo adinoina ihany koa fa manana ny mpankafy manokana anie ny gadonkira rock maro isan-karazany, amin’ny ankapobeny aza dia tsy tian’ny hafa loatra ity gadonkira io nefa azo omena ny anjara masoandrony ry zareo amin’ny fandraisana anjara.

 Ary farany eo koa ireo tia hira somary mandangolango ary hira henoina tonony no tena ankafiziny tsara mba omena ny sahaza azy. Efa nisy ny nanao toy izany tao amin’io Lapan’ny kolontsaina io matoa aho nanoratra etoana. Tsy voatery hijanona amin’ny efitra iray anefa ny mpijery fa afaka mivezivezy amin’ireo efitra telo ireo araka izay tiany rehefa tafiditra tao anatin’ny tamboho fotsiny izy.

 Soso-kevitra hafa azo atao ihany koa na dia mety hiteraka adi-hevitra hafa aza dia ny fanaovana ny fampisehoana andro samihafa mihitsy. Fanaon’ny mpanakanto ny manao fampisehoana andro mitohy ka eo ny Zoma alina. Fampisehoana hafa ny Asabotsy tolakandro nefa amin’ity indray mitoraka ity tsy miverina intsony ilay mpihira nihira ny omaly. Ary fampisehoana hafa amin’ny gadona mitovitovy ihany koa ny alahady tolakandro. Amin’izay fotoana izay indray dia afa-po kokoa ny mpijery ary afaka manao hira maromaro kokoa ny artista iray fa tsy ho zara raha mihira roa dia samy miala tahaka ny ala safay sy fomba fotsiny. Eritreritra iray hafa koa ny amin’iny nefa efa tsy fotoanany intsony angamba na mikarakara fampisehoana hafa mihitsy e !  Na izany na tsy izany dia mirary fahombiazana hatrany amin’ny fikarakarana ny fampisehoana rahampitso hariva ny tenako.

Ambany izany ny gasy?

2007-04-18 @ 06:54 in Kolontsaina

Nisy zavatra iray nahasorena ahy tsikaritro tamin’ny vaovao. Nisy fihetsiketsehana ara-kolontsaina izay notontosaina tao amin’ny Alliance française. Ny tena fitadidiako azy moa dia momba ireo mpanoratra malagasy amin’ny teny frantsay no tena naranty tao Andavamamba io. Samy manana ny aingam-panahiny tokoa ka tsy misy azo sakanana amin’izany na hanoratra amin’ny teny frantsay na hanoratra amin’ny teny malagasy. Ny mpanoratra amin’ny teny malagasy moa dia amin’ny mpiteny malagasy ihany izy no malaza raha tsy hoe misy mandika amin’ny teny vahiny malaza angaha ny asa-sorany. Ny mpanoratra amin’ny teny vahiny be mpiteny kosa dia malalaka kokoa ny tsenany ary ho betsaka kokoa ny mahafantatra azy.

Tsy dia any loatra aloha ny resako amin’izao fotoana izao. Tsy nankany an-toerana tsy akory aho fa ny hitako tao anaty vaovao ihany no ampitaiko etoana. Tsy voatery hoe latsaky ny iray minitra ny sary nampitaina tao anaty vaovao dia tsy hahita na inona na inona ihany koa. Fa inona loatra ary ilay hita ? Rehefa miresaka mpanoratra amin’ireny fampirantiana ireny dia afisy lehibe no ametrahana ny mombamomba azy tsirairay avy. Firenen-dehibe no mikarakara ny ranty ka tsy ho kitoatoa ny endriky ny afisy aseho ny mpijery amin’izany. Amin’izay fampirantiana mahafinaritra ny maso izay no misy ny indrokely na indrobe mahatohina ny olona toa anay indrindra indrindra.

Sary telo matetika no hita isaky ny afisy iray. Ny sarin’ilay mpanoratra aloha voalohany indrindra, ny sarin’ny Tour Eiffel hatrao ambaniny na fanambaniny na hatrety antokontaniny faharoa ary ny sarin’ireo zavatra manintona eny amin’ny rovan’i Manjakamiadana ny fahatelo. Ao ny sarin’ny tranovola, ny sarin’ny voromahery eo amin’ny vavahadin’ny rova, ny sarin’i Besakana (tranon’Andrianampoinimerina ho an’izay tsy mahalala) ary ny tranovato rova na fiangonana ihany koa aza. Ireo endrika fahatelo ireo izany no heverina ho mahamalagasy ny Malagasy. Hatreo aloha dia tsy misy ny olana.

Fa ny toerana ametrahana ny sary isaky ny afisy no saiky mitovitovy avokoa ary ametrahako olana. Ny sarin’ny mpanoratra eo ankavia tsy maninona loatra. Ny sary roa farany dia eo ambony ka ny sarin’i Tour Eiffel no ambony indrindra ka io no manaloka « ho ambany elany » ny sary tsirairay amin’izay hita ao amin’ny rovan’i Manjakamiadana. Io ilay endrika nanaitra ahy. Mpikambana ao amin’ny francophonie tokoa ve isika dia ao ambany elatry Frantsa avokoa izay rehetra mpikambana ao aminy indrindra fa ny kolontsaina ? Tsy toerana mitovy intsony izany no misy ny tsirairay fa misy ny patabe (Patirao)? Hanao ahoana re ny fihevitry ny manampahefana malagasy mahita izany ? eny fa na dia ny eritreritry ny mpiasa ao amin’ny Alliance française aza dia mba tiako ho fantatra ihany koa. Mety ho ao anatiny loatra koa ry zareo ka tsy mahatsapa izay mety hahatohina ny hafa izay mety ho vitsy an’isa tahaka ahy izay manoratra.

Mety ho tsy zanatany intsony tokoa isika fa mbola zanatsaina ihany raha tsy nahatsikaritra izany izay nitsidika io fampirantiana momba ny mpanoratra malagasy amin’ny teny frantsay io. Raha nankany aho ka misy ilay boky volamena mipetraka eo amin’ny fivoahan’ny efitra fampirantiana iny dia ho nosoratako izao hevitra nabosako taminareo izao.

Sarangotra

2007-04-13 @ 08:38 in Kolontsaina

Amin’izao fotoana izao moa dia misy ny fihetsiketsehana momba ny sarimihetsika malagasy. Fantatry ny rehetra fa miroborobo tokoa ity sehatra ity amin’izao fotoana izao na dia tsy azo atao aza ny mampitaha azy amin’ny an’ny frantsay na indrindra ny amerikana. Sakay malaho sy havozo, hoy ny fitenenana izay, ka samy manana ny hanitra ho azy.

 

Hevero anie ny sarimihetsika avoakan’i Bollywood any India. Tsy dia betsaka na dia mety hisy aza no hahalala izay sarimihetsika avoakan’ity faritra ity. Nefa dia tena mahazo vola tokoa ny mpilalao sarimihetsika amin’ity toerana ity. Inona ny antony ? Betsaka ny karana ary zavatra mifandraika amin’ny zava-misy na foto-pisainany no tena mivoaka any. Manana ny tsenany izy izany ary ny karana ihany koa anisan’ny mponina betsaka eto ambonin’ny tany. Tahatahaka izany ihany koa ny sarimihetsika malagasy fa tsy tahaka ny an’ny amerikana tiana halaza manerana izao tontolo izao. Marina kosa fa tena vitsy ny malagasy sy ny mahay teny malagasy ary mametra be dia be ny sarampandaniana amin’ny fanaovana sarimihetsika iray izany. Io matetika no antony ahenoana hoe roa volana dia vita ny sarimihetsika iray.

 

Tahaka ny nofinofy kosa izany hanafika ny tsena tandrefana izany afa-tsy hoe tandrefana no mpanatontosa ny tantara ary mifanaraka tsara amin’ny tontolo sy fisainana na kolontsaina tandrefana no avoaka na farafaharatsiny manintona olona maro ny zavatra avoaka. Nefa raha hanintona ny tandrefana ataoko fa ny horonantsary fanadihadiana no tena mety amin’izany fa tsy ny horonantsarimihetsika ilalaovana kosa.

Izaho aza mahatsikaritra fa raha misy oronana somary tsaratsara izay vitan’ny firenen-kafa na iza na iza ka hitan’ny Amerikana US iny dia tsy ho iny sarimihetsika iny mihitsy no alefany any Etazonia fa amboariny indray mandeha iny. Manao sarimihetsika hafa mihitsy izy nefa dia iny tantara iny mihitsy no averiny. Angamba tsy tiany loatra ilay fihetsiky ny molotra sy ny teny tsy mifanaraka loatra. Isika mpiteny amin’ny teny hafa moa dia miaritra mihaino fotsiny rehefa tsy maharaka ny fihetsiky ny molotra.

 

Sahala amin’ny an’ny rehetra ihany koa ny sarimihetsika malagasy. Misy noho ny fananany fitaovana fotsiny dia te-hamoaka izay vetsovetsom-pony ka maharikoriko mihitsy ny mijery azy. Misy kosa ny miezaka hampakatra ny sandan’ny vita malagasy ary ankasitrahana ny zavatra ataon’izy ireo. Dia misy karazany toy izany tokoa na dia ireo sarimihetsika ampidirina hisafidianan’ny olona aza. Ao anatin’ity fihetsiketsehana miaraka amin’ny rta ity no hisafidianan’ny olona izay sarimihetsika tsara, sy mpilalao mendrika ary mpanatontosa mahafatra-po, izaho avokoa no mametraka izany anarana izany fa teny frantsay moa no tena hanaovana azy amin’ny teny hoe meilleur.

Sarimihetsika sivy no isafidianana ary mpilalao vitsivitsy tsy ary ho tadidiko anarana aby no tena arahimaso. Ny hany fantatro moa dia ry Volatiana, ry Mija ary ry Akomba mazoto. Tsy hampita vaovao loatra no tena tiako atao fa ny hiteny izay tsikaritro fotsiny. Misy mandritra ny fanodinana no tsy miova akanjo mihitsy ny mpilalao (poabasy intelo) nefa misy hoe iray volana aty aoriana sy herintaona aty aoriana. Misy ny tsy mety tsara ny sary na ny feo, mazava loatra sy migobogobona fotsiny. Ao moa ny vao manomboka fotsiny ny tantara dia efa fantatra sahady ny farany. Io moa dia noho ilay hoe sarimihetsika malagasy e ! atao misy fananarana izany matetika. 

Fa ny sarimihetsika notontosain’i Volatiana sy nilalaovany hatramin’izao aloha no hitako hoe mety indrindra na dia manana ny lesoka ihany koa aza izy io. Io sarimihetsika io moa no nataoko lohateny eto. Ohatra : lasa nivoaka ny efitrano fihinana tsy nandoa vola i Tiavina (Volatiana) rehefa nihetsi-po be loatra. Misy ny sehatra tokony ho fohifohy kokoa no nohalavaina amin’ny tsy misy dikany. Be loatra ny fihinanana na fisotroana, tahaka ireny sarimihetsika frantsay ireny e ! na izany aza dia misy ihany koa ny tombo ananan’ity sarimihetsika ity. Tsy nampoizina ny fiafaran’ny tantara ka nahatonga ny sasany niteny hoe tsy tiany fa tsy misy tsoakevitra loatra. Tsy voatery no ny tsara hatrany manko no « mandresy » amin’ny farany na atao hoe tsara fiafara ny tantara. Notontosaina tany amin’ny tanànan’i Toamasina ity sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe sarangotra ity ary niafara teto Antananarivo ihany. Farany tsy zaza loatra aho ka hitantara aminareo izay fiafarany tao.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox