Efa tsy fotoanan’ny propavandy intsony izao, mandika lalàna raha manao izany. Noho izany raha manoratra ireo fanontaniana sy valiny nataon’izay nirotsaka teto Antananarivo aho dia tsy afaka ny hiteny intsony hoe iza no namaly izany fa ny karazam-balinteny ihany no tsoahiko amin’izay novakiako.
Voalohany: tsy voatsimbina firy ny zo sy tombotsoan’ireo mpanjifa noho ny tsy fisian’ireo lalàna mifandraika amin’izany. Efa misy tolo-dalàna voavolavola momba izany. Inona no atolotrao mba hiarovana ny fahefa-mividy…?
Valiny:Hetra midangana ho an’ireo entana rendrarendra indrindra ny fiara ka antsoina hoe hetra sosialy ka ny olona mandray karama latsaky ny Ar100.000 isam-bolana no mandray fanampiana amin’ny alalan’io hetra io.Foanana ny hetra na ahena ho an’ny PPN amin’ny maitso ahitra.Ahena ny hetra aloan’ny tsirairay
Omena tany izay monina an-drenivohitra hambolena
Fanaraha-maso ireo orinasa vaventy mety manafin’entana.
Fampidirana tetibola hampihenana ny fidanganan’y vidim-piainana
Filet de sécurité
Ampiharina tsy anavahana olona ny lalam-pifaninanana.
Nahoana no sady manondrana vary no hanafatra avy any ivelany ihany koa?Fampitomboana ny faritra volena
Fanaraha-maso ny entana
Fiofanana matetika ho an’ny tantsaha.
Loi contre le monopole
Loi contre les abus position dominante
Loi contre tous les abus
Fampiharana mazava ny lalànan’ny tolotra sy ny tinady
Fanontaniana: volavolan-dalàna 23/2007 manome fahalalahana tanteraka ny orinasa handray mpiasa vahiny araka izay ilaina; volavolan-dalàna 24/2007 ahafahana mampiasa ny vehivavy eny amin’ny toeram-pamokarana afakaba amin’ny alina sy tsy voafetra ny ora fanampiny. Ekenao ve ny hampiatoana ireo tolo-dalàna ireo fa iaraha-midinika kosa ny momba izany aloha? (mety ity no tsy namalina’ny sasany fanontaniana nefa metyho diso koa izany hevitro izany).
Valiny: Tokony ferana ny fahazoan’ny vahiny miasa eto. Tsy ekena ny tolo-dalàna tsy manome hasina ny mahaolona.
Efa misy ny malagasy manana fahalalàna sy ampy fahaizana ka ireny no atao lohalaharana aloha fa ny vahiny dia fanampiny fotsiny ihany.
Tsy ekeko ny hampihantonana ny fandinihana ireo tolo-dalàna ireo (iza io?)
Ny tolo-dalàna efa napetraka tsy azo ahantona intsony. Aleo hiadian-kevitra dia ahitsy tsikelikely izay tsy ekena.
Fanontaniana: inona no hatolotrao hahatonga ireo fitrandrahana ireny hitondra vokatsoa sy hiarovana ny tontolo iainana?
Valiny: Ny vondrom-bahoakam-paritra tsy maintsy omena ampahany ary omena alalana hanara-maso ny fitrandrahana.
Manam-pahataperana ny harena ankibon’ny tany, tsy tokony hirobaroba na maika aza.
Omena tamberim-bidy ny vondrom-bahoakam-paritra.
Tsy maintsy mifampiraharaha tsara ny fanjakana mba hahazoana ny vokatsoa betsaka amin’ny solitany, 50% farafaharatsiny.Ferana ny isan’ny mahazo mitrandraka.Tsy maintsy mamerina ny tany noesoriny ny mpitrandraka rehefa vita izay nataony.
Omena famatsim-bola ny mpitrandraka madinika
Atao mangarahara ny fifanarahana amin’ny orinasa vaventy.
Fananganana andrimasom-pirenena hanaramaso ny fivoahan’ny harena sy ny fidirany an’I Madagasikara.
Mangataka tatitra isanenimbolana (ohatra) amin’ny mpitondra ny vola azo amin’ny fitrandrahana vaventy.
Fanontaniana: Ilaina ve ny fampifandanjana ny isan’ny lahy sy ny vavy mirotsaka eo amin’ny sehatry ny fifidianana?
Valiny: Eny, ny lalàmpanorenana efa mamaritra ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy.
Efa mitovy zo ny lahy sy ny vavy ka anjaran’ny tsirairay ny mandray safidy amin’izany.
Fanontaniana: Manoloana ny olona tsy sahy mijoro na dia tratran’ny tsy rariny aza. Ahoana ny fomba hiarovana ny olona tratran’ny tsidry hazolena?
Valiny: Omena mpisolovava maimaipoana izay sahy mijoro manohitra ny tsy rariny.
Ilaina hatsaraina mihitsy ny lalàna.
Lalàna hiarovana ny vavolombelona.
Fitsarana mahaleo tena tanteraka. Fampijoroana ny haute cours de justice.
Tokony hisy ny polisin’ny polisy.
Fanontaniana: Inona ny hataonao hampitomboana ny ambaindain’ny tantsaha hiatrehany ny fifaninanana iraisam-pirenena?
Valiny: foibe isam-paritra hakana torohay
Fanganana banky afaka hamatsy vola amin’ny taha tena ambany.
Izay miasa ny tany no tompony.
Fiarovana ny vokatry ny tantsaha.
Fitaovam-pamokarana vaovao.
Fanamorana ny fampisamboram-bola.
Tsy tokony ekena ny zavatra vita kitoatoa.
Fanontaniana: SADC, COMESA, COI…Inona no ataonao hanampianao ny orinasa hiatrika ny sehatra iraisam-pirenena, handraisany anjara amin’ny tsena iraisam-pirenena?
Valiny: Tsy ny orinasa rehetra no tokony atsangana eto fa izay afaka manome vokatra mora nefa manaja ny kalitao ary mifanaraka amin’ny zavamisy. Tokony iantohan’ny fanjakana ny fanamorana ny fametrahana ny tambazotram-pifandraisana, ny fifandraisan’ny mpandraharaha, indrindra ny mikasika ny fampiasana ny tranokalam-pifandraisana sy ny marketing.
Fanjakana tsara tantana aloha.
Fananganana orinasa madinika sy salatsalany.
Fandrindrana sy fandaminana ny sehatr’asam-pamokarana mba ho afaka hiara-miasa.
Dinihana tsara vao miditra vondrom-paritra iraisam-pirenena izany.
Fametrahana banque de données hahafantarana tsara ireo sehatra ireo. Politika manokana hiarovana ny mpandraharaha teratany.
Tsy hitanay izay soa mety ho azo amin’ny sadc sy comesa fa toa Sida sy ny fahantrana no tena entiny ho antsika.
Ekena kosa ny Coi satria mifameno amintsika ireo. Ahena ny zanabolan’ny banky. 211 bis sady famonoana orinasa no fanaovana kolikoly.
Aleo aloha ireo ihany fa ajanona hatreo. Amin’ny manaraka indray manao misimisy raha mbola mazoto.
Nisy vondrona fiaraha-monim-pirenena nandefa fanontaniana maromaro tany amin’ireo nirotsaka hofidiana teto Antananarivo. Tamin’ny 10 septambra ireo fanontaniana mitovy ho an’ny rehetra ireo no nomena ny kandidà ary naseho gazety ihany koa ny ampitson’io. Nomena hatramin’ny 14 septambra ny kandidà hamaliana ireo fanontaniana 12 miompana amina loha-hevitra 12 mazava loatra.
Ireto avy aloha ireo vondrona fiaraha-monim-pirenena ireo: Friedrich Ebert Stiftung, FTM/CPM, Fifafi Analamanga (finoana, fanantenana, fitiavana), Rjdp, Sos aux victimes du non droit, Kmf Cnoe, Réseau genre, Fisemare, Yltp, Sembana mijoro, Fisema, Confédération Syndicale des Travailleurs Malagasy, Fivmpama, Novastella ary ny Association des femmes Elues Maires de Madagascar.
Navoaka tamin’ny 19 sy 20 septembre ny valitenin’ireo kandidà namaly ireo fanontaniana 12 ireo. Izany hoe fotoana kely tsy ampy tena andinihana izay mety hahaliana ny olona sy hanontaniana ny anton’ny valinteny na tsy namaliana sisa vao mety ho mahavaky hatramin’ny farany ireo pejy efatra aminn’y soratra koritika dia koritika hany ka raha tsy tsara maso dia ho sahirana sy ho bambaray fotsiny ny soratra hita.
Ny zavatra azo ambara dia izao: somary tratra aoriana ihany ny nanomezana ireo fanontaniana ny kandidà na dia ho an’Antananarivo fotsiny ihany aza. Raha ny fahalalako azy dia tany amin’ny faraparan’ny voalana aogositra tany ho any no tsara nanomezana azy ary naverina ny andro nanombohan’ny fampielezan-kevitra. Amin’izay fotoana izay dia ho hafa kokoa ny fandehan’ny adi-hevitra nandritra ity fifidianana ity. Mba nahadinika zavatra vitsivitsy ahay manko ny mpifidy ary ho nahatsapa fa tompon’ny fanapahan-kevitra tokoa fa tsy ho nentin’ny fo hoe tiako ranona na tsy tiako ranona fotsiny. Amin’izay fotoana izay ihany koa dia ho fantatry ny maro izay manana fahalalana na praograman’asa fiomanana rehefa tafiditra tokoa any amin’ny antenimiera any.
Faharoa manaraka izany dia nisy ireo kandidan’antoko tsy namaly ny fanontaniana napetraky ny fiaraha-monim-pirenena mihitsy. Ny voalohany lazaiko etoana dia ny avy ao amin’ny mpiara-dia amin’ny filoha aloha: Ny Grad Iloafo, nahagaga ihany satria anisan’ny nandrotsaka betsaka manko izy teto Antananarivo (8) nefa tsy nisy namaly na dia iray aza. Tsy noterena hamaly tokoa angaha nefa dia itsaran’izay tena mpanara-baovao politika izay. Saiky tsy namaly araka izany ihany koa ny avy amin’ny fanoherana rehetra nandrotsaka kandida teto Antananarivo dia ny Arema, ny tsy miankina Ny Analamanga ary tsy nahitana teny tahaka izany ihany koa ny ao amin’ny Fidem an’Atoa Maurice Beranto.
Fahatelo dia saiky tsy namaly avokoa ny avy ao amin’ny Tim afa-tsy ny ao amin’ny fari-pifidianana fahaefatra misy ny Minisitra Radavidson Andriamparany irery. Izany hoe raha 12 ny nirotsaka dia tsy nisy namaly ny 10 nefa dia misy minisitra hafa indrindra nirotsaka teto Antananarivo. Ny hafa dia mamerimberina fotsiny ny hoe, rehefa mitety faritra indray io, izay akaiky sy mora mifandray amin’ny mpanantanteraka fidiana mba hahaingana ny hetahetanareo vahoaka sy ny hoe izay mahay miara-miasa amin’ny mpanatanteraka fidiana hampandrosoana haingana ny firenena…koa raha tsy hoe fifidianana Ben’ny tanàna izy ity ka izany no itarihana olona. Tena manankevitra tokoa ve ireo hafa tsy namaly sa sendra ny fanontaniana tsy hainy valiana (izy 12) sa tsy firaharahahiana ny mpifidy ihany koa. Mety ho ny tsy fahamatorana politika mihitsy ihany koa no tsy ao (anaty propagandy tokoa aho izany).
Fahaefatra dia misy ny mpiray antoko ny sasany mamaly ary ny hafa tsy mamaly. Mifananhantsahana ny isany ka izay no ampidirako ny Avi, ny Aldr, ny RPSD vaovao ary ny Teza. Mety ny fahitana ny valintenin’ireto vondrona ireto no itarafan’ny olona hoe mitovy hevitra tokoa ve ireto mpiray antoko ireto sa tsia? Ny zavatra maningana hita amin’ny Rpsd vaovao aloha dia saiky vehivavy avokoa ny lohalisitra natolotr’izy ireo any amin’izay nandrotsahany ( raha tsy izy rehetra aza fa tsy fantatro avokoa moa).
Ary ny fahadimy farany dia ny an’ny Ame izay taratasy iray no niarahan’izy rehetra namaly ny fanontanian’ny fiaraha-monim-pirenena. Azo heverina fa nisy fiaraha-midinika amin’izay fomba hamaliana ny teny izany ary mba tsy hahitana loatra izay mety ho fifanoheran-kevitra sanatria tsy voatandrina. Ny hany lesoka ho azy ireo dia tahaka ny kelikely lanja ihany izy ireo raha mitaha amin’ny mpifaninana hafa.
Miala tsiny aho fa nikasa ny hamoaka ny hevitr'izy ireo tokoa saingy toa tsy tontosa izy ity. Ho hita eo ihany anefa...
Fotoam-pifidianana isika amin’izao fotoana izao. Fifidianana izay ho solombavambahoaka hotanterahina amin’ny alahady 23 septambra 2007 ho avy izao. Nanambara tamin’ny vaovaony ny rfi androany maraina fa tsy mahasarika loatra ny fampielezan-kevitra tamin’ity indray mitoraka ity. Fambara tsara ihany izany ho ahy manokana.
Isaky ny mafampana manko ny fifidianana dia fikorontanana no tena andrasan’ny mpampita vaovao ho bizina ho azy. Isika rahateo aty amin’ny faritra eritreretina ho mora andairan’ny ady mandrakariva. Koa rehefa ireny mpampahalala vaovao ireny no miteny tahaka izany dia hanjaka kokoa izay ny filaminana.
Natsidiny koa tanatin’izany fa mety hanjaka tokana ny antoko eo amin’ny fitondrana amin’ity indray mitoraka ity. Mety ho marina tokoa izany nefa tsara fantarina ny anton’ny safidy, raha mbola lazaina ihany koa fa safidy ny dikan’ny vato narotsany amin’ny androm-pifidianana.
Voalohany, raha mahita ny nahazo ireo mahery loha , mpanohana ny fitondrana teo aloha lasa mpanohitra na mpanohitra ny fitondrana hatramin’ny voalohany migadra amin’izao fotoana izao, izay mieritreritra fa mafana fo sy malaza amin’ity resaka politika ity dia nitakemotra avokoa. Tsikaritry ny maro fa ny tena mpitarika ankoatra ny filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha, Jean Lahiniriko, dia nisafidy ny tsy hirotsaka tamin’ity fifidianana ity. Ny mpitarika ny antoko lazaiko ho madinidinika no sahy mirotsaka hitsapa ny safidim-bahoaka mialoha ny dingana manaraka goavana kokoa.
Manaraka izany indray, izay mirotsaka rehetra tian’ny maro, nefa tsy mitovy tadin-dokanga loatra amin’ny fitondrana aty amin’ny foibe na sahy mifaninana aminy, dia efa miomana ny tsy hahazo na inona na inona avy aty, eny na dia ao anatin’ny zony tanteraka aza izy. Mahatsapa izany ny maro an’isa dia mionona hoe aleo fidiana izay avy any amin-dry zareo raha te-hanatsara ny tanàna misy ny tena. Ny dikan’izany dia terena ankolaka ny mpifidy handrotsa-bato ho an’ny antokon’ny fitondrana. Tsy demokraty mihitsy aloha ny mpitondra amin’ity lafiny iray ity. Moa tahaka izany koa ny any ivelany any? Ianareo any no mahalala.
Na izany na tsy izany dia tsy tsara ho an’izay mahazo fahefana na oviana na oviana ny manjaka tokana. Marina fa mikendry ny hahazo ny toerana 127/127 ny Tim saingy tsy mahasoa ny firenena na oviana na oviana izany. Efa fantatra ny fitilitilian’ny mpitondra ankehitriny ny fanaon’ny (mpitondra) Shinoa ka mampanahy be ihany ny mety ho fironana haingana mankany amin’ny jadona.(Izay fironana izay koa angaha no mahatonga ahy ho somary liana kokoa amin’izay mitranga any amin’ny Tatsinanana Lehibe any). Etsy andanin’izany efa nosoratako eo ambony io ny teti-panoron’ny mpitondra hahazoany ny maro an’isa. Inona ary no tokony atao? Ary aiza izany no tsara atao? Antananarivo no vahaolana.
Tsy maintsy arovana ny demokrasia na dia sarotra aza ny hahazoana fifandanjan-kery. Ny hery mifandanja no mahasalama ny demokrasia hanajana ny fahalalahan’ny tsirairay. Hanahirana ny hahazoana izany amin’izao fotoana izao saingy tsy tokony hahafoana ny tsirim-panantenana izany. Ivereno an-tsaina ny nitranga tamin’ny repoblika voalohany (ho an’izay efa niaina izany).
Tamin’ny ankapobeny dia roa monja ny avy amin’ny antoko mpanohitra tao amin’ny antenimieram-pirenena nefa tsy sahin’ny teo amin’ny fitondrana loatra ny nikitikitika ireo olona roa ireo. Antananarivo manko no nifidy ireo ka mety hitarika zavatra hafa tsy ampoizina raha misy maninomaninona manjo azy ireo (tadidio fa ambenan’ny mpiray antoko aminy mandrakariva ry zareo ireo rehefa mivoaka an’Antananarivo ary voatery nifindra fiara matetika hialana amin’ny vela-pandrika hafahafa mody hoe notafihin’ny jiolahy na…). Nanam-pahalalàna hiteny any ambadika ny olona na dia mody jomoka eo anoloana aza.
Ankehitriny, fianatra ny tantara ary fantatry ny mpitondra tsara izany matoa izy nandrotsaka minisitra hofidiana. Ny fahazoana ny fon’Antananarivo ihany no lakilen’ny fitazonana ny fitondrana. Na dia azonao daholo aza ny seza rehetra any amin’ny faritra nefa tsy nahazoana mihitsy Antananarivo dia efa mahazo mangovitra ianao ny amin’ny fitondrana tarihinao. Tsy sanatria fanaovana zinona ny vaton’ny any amin’ny faritra fa fitaratra mandrakariva izay ataon’Antananarivo amin’ny resaka politika. Na dia noezahina mandrakariva aza ny nampifandrafy ny mponin’Antananarivo amin’ny faritra ivelan’Antananarivo tsy mahafoana ny mahairay ny Malagasy izany. Eto Antananarivo avokoa ny foko rehetra misy eto Madagasikara ary ireo no tady mampifandrohy ny fifandraisan’I Madagasikara iray manontolo.
Etsy ankilan’izany tsy ho afaka ny hanao kinanga na oviana na oviana ny mpitondra rehefa eto ka sahy hanao hoe rehefa tsy hifidy an-dranona ianareo dia tsy hisy asa vita eto. Tsy maintsy manao zavatra eto izy raha mbola te-hitoetra maharitra eo amin’ny fitondrana nefa tsy ho afaka ny hanery ny vahoaka amin’ny safidiny, hafa ny any amin’ny faritra ary hafa ny eto Antananarivo. Noho izany, Antananarivo irery aloha no fantatro hatramin’izao mahazo mifidy olona hafa amin-kahalalahana tsy avy amin’ny fitondrana nefa tsy hokarakaraina. Fihantsiana mivantana avy hatrany raha sahy manao izany ny eo amin’ny fitondrana. Ny olana iray lehibe eto dia tsy mety mahazo ny fon’Antananarivo ny avy amin’ny fanoherana. Aiza ho aiza ny tokony atao?
Na dia roa isaky fari-pifidianana aza manko ny eto an-drenivohitra dia tsy misy hoe maro an’isa ifampizarana ny handaniana ireo na maro an’isa izay manana ambim-bato betsaka. Izay betsaka isa kokoa fotsiny no tonga dia mahazo ny seza roa na dia mety ho vato tokana monja aza ny elanelana eo amin’ny voalohany sy ny faharoa. Ny hafa ihany koa tsy mahay mifanaraka no sady tsy sahy nirotsaka loatra, hoy aho tetsy ambony, ny Oloben’ny politika eto amin’ny firenena. Ny olona no mitaratra dia mifidy mangina any anatiny any. Ankoatra ny fanatikan’ny fitondrana dia maro (amin’izay manodidina ahy na sehatra aiza io na sehatra aiza, na manaiky imaso fotsiny ihany koa izay iresahako) no mieritreritra fa tsara raha mifidy olona hafa tsy ao amin’ny antokon’ny mpitondra ankehitriny ny olona saingy tsy mety loatra raha avy amin’ny fanoherana bontolo ireo olona ireo. Ho fiarovana ny demokrasia no anton’izany fa tsy noho ny safidy manokana.
Efa tsy zoviana amin’ny maro intsony ity raharaha iray ity amin’izao fotoana izao. Olona efa tsy manara-baovao mihitsy matoa tsy mahalala ny momba azy ity. Ny gazety nivoaka ny talata teo dia samy nahitana avokoa fa hamerina ny vola naloa tany amin’ny banky rehetra Atoa Steve Turmel ary havoaka gazety amin’ny herinandro ny fombafomba hamerenana azy. Azo lazaina fa fanombohan-javatra aloha izay. Fa na izany aza misy ny zavatra mampiahiahy.
Gazety nivoaka androany iray indray no nahitana fa nahatratra 27.000 ireo olona nandoa vola nampanantenaina ho any Bahamas. Betsaka dia betsaka tokoa ny isan’ny olona voafitaka raha inoana io isa io. Izany hoe ny vola kely indrindra azon’ingahy Steve dia mahatratra 2 700 000 000 Ariary eo ho eo. Ny sanda ambany indrindra nalainy manko no 100.000 Ariary ho an’ny mpamafa trano sy ny mpanao zaridaina na mpiambina ihany koa. Ny hafa moa dia avo roa na telo heny mihoatra. Izany hoe tokony ho raharaha lehibe ity raharaha ity fa tsy ho vitavita fotsiny amin’izao. Inona ny olana?
Miahiahy ny maro ankehitriny fa hanjavona ity rangahy ity afaka fotoana fohy. Dia ho samy mody fanina ny tompon’andrikitra isan-tsokajiny. Tsarovy fa valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety no namoahany io filazana io, izany hoe mbola afaka mivezivezy tsara ny lehilahy. Fantatra fa tsy mahazo mivoaka ivenan’ny sisintany aloha izy. Nahahendratra ny rehetra anefa ny nandre ilay raharaha Dorick izay rehefa nahare ny didim-pitsarana nanamelohana azy dia nanana sakay tany aminy tany hoe nafafiny ny mpiambina azy ka afa-nandositra izy. Resaka tsy mampino…dia mety ho izany ihany koa ny an’ingahy Steve ity. Inona no mety ho antony?
Maromaro ireo mihevitra fa tsy miasa irery ralehilahy fa manana mpiaro azy any ambonimbony any. Ireny no mety saiky hiara-mizara aminy ny “haza” azo tamin’ny fanambakana. Raha tratra ranamana ka mitohy ny fanadihadiana dia mety hipaka hatrany amin’ny takona tsy fantatra any ny fiampangana. Hiarovan’ireo dahalo ambony latabatra ireo tena ary dia ezahina izay hiatoan’ny fanadihadiana dia tsy hisy ny fitsarana. Io fitsarana mety tsy hisy io no mampatahotra ny maro. Ny fanonerana ekena fa tokony ho avo roa na telo heny amin’izay naloan’ny nandoa vola no atao fa tsy izay naloa tany amin’ny banky ihany. Vao nikarakara ny pasipaorony avokoa manko ireo olona ireo.
Teo am-panomanana ity lahatsoratra voalohany ity indrindra aho no namorona lahatsoratra mihitsy teny antenantenany eny ka iny nampitondraiko ny lohateny hoe “Boriborintany aho boriborintany” iny. Izaho moa ao anatin’ny voatondro anarana hoe Boriborintany voalohany eto amin’ny disokrikan’Antananarivo no mipetraka. Ny lisitra eto amin’ny Boriborintany voalohany izany no ifidianako izay ho solombavambahoaka hisolo tena ahy. Lisitra sivy no hisintonana ireo olona ireo. Ireo izany no hotanisaiko tsirairay ny asehony amin’ny takela-pifidianana.
Takelaka tsy manan-daharana aloha voalohany indrindra ny an’ny ofisialy izay tsy ahitana na inona na inona mandrakariva. Ny eto Antananarivo koa angaha tsy dia mila fanazavana lava loatra intsony amin’ity resaka fifidianana ity noho ny haino aman-jery mameno tanàna. Saingy izao: Antananarivo tampontanana aza, tompoko, tsy misy afisy ny filazana ofisialy ity fifidianana ity (sa inona moa ny afisy tokony hipetraka eo?) maika fa ny any amin’ny faritra ivelan’ny renivohitra? Tsy efa tonga amin’izay ve ny fotoana hanesorana io takelaka ho an’ny ofisialy io fa tsy mba manana fahazotoana tahaka ny mpanohana kandidà tsinona ny mpiasan’ny minisiteran’ny atitany (tsy fantatro intsony koa moa hoe iza no manana andraikitra amin’io e!) hametaka afisy iray na roa isaky ny tabilaom-pifidianana.
Eto isika vao miditra amin’ny afisy mitondra ny laharana voalohany. Ny antokon’ny fitondrana no nahazo azy aloha ary ny minisitry ny angovo no lohalisitra amin’izany. Heverin’ny mpanara-baovao politika fa tsy hanetry tena ho amin’izany toerana izany na oviana na oviana rangahy io. Mifamporisika ny olona miresaka hoe jereo ny faharoa sy ny fahatelo amin’ny lisitra fa izay no tena tiany apetraka eo. Izaho kosa manao hoe tsarao amin’ny asany ireo minisitra sahy misedra vahoaka ireo fa izao no fotoana fanararaotra hanehoan’ny vahoaka izay vitany ka izay tsy lanim-bahoaka tokony hahasahy hiala amin’ny toerany fa tsy miandry esorina vao hahatsiary vasoka. Tsy maintsy hita ami’nny afisin’ny TIM (Tiako I Madagasikara) izao soratra lehibe izao miaraka amin’ny sary biletan’ny antoko atao anaty valopy harotsaka anaty vatam-pifidianana: MAP (Madagasikara Am-Perinasa fa tsy zavatra hafa tsy akory) = Faritra mandroso. Dia ho adinoina indray ve fa ny fanohanana ny MAP no narangaranga fony nanitsy ny lalampanorenana ka inona indray no amerenana ity resaka ity amin’izao fotoana izao? Fampahatsiahiva amin’ny olona angaha fa mbola mitohy ny tokony hanohanana ny MAP ka ny fifidianana ny lisitra TIM ihany no antok’izany fanohanana izany.
Ny takelaka faharoa kosa dia najaran’ny AVI (Asa vita no ifampitsarana). Solombavambahoaka talohan’ny farany teo no lohalisitra ary nanamarika azy ny fahatongavany hatrany rehefa misy ny fivorian’ny antenimierampirenena. Tsy mpikambana tao amin’ny birao anefa izy ary tsy filoha na mpitarika vaomiera tamin’ny fotoan’androny. Ny biraony anefa amin’ny andro hafa dia ilaharana mandrakariva fa tsy mba hita loatra ny fotoana hoe tsy ao izy ary izy mivantana no mandray izay mitady azy fa tsy misy mpiasa hafa loatra. Ny fitarihana ny tanora hiditra ami’nny sehatra politika no nirotsahany tamin’ny voalohany ary dia izao tsy afaka amin’ny fandraisana anjara mivantana amin’ny fandraisana andraikitra izao intsony. Tombondahiny lehibe ho azy avokoa izany rehetra izany. Efa tombatombanan’ny maro rahateo fa izy no ho mpifaninana voalohany amin’ny TIM amin’ity fari-pifidianana ity. Toy izao kosa ny soratra amin’ny afisiny ankoatra ny sarin’ireo kandidà mazava loatra:
Mba tsy ho tombotsoan’olom-bitsy
Fiainana ara-tsosialy mila harenina
Hisorohana amin’ny fanjakana tsy refesi-mandidy
Ho faritra miara-mandroso ary ho Malagasy iray aina
Vonona hiatrika amin’ny tena adihevitra hahasoa ny vahoaka
Mihaino sy manaja ny hafa
Dia ireo aloha no voadikako ny amin’ity fikambanana iray ity.
Ny antoko Teza tarihin’ny mpanolotsaina politika ny filoha Ravalomanana kosa no miandraikitra ny takelaka fahatelo. Tsy fantatry ny maro loatra ny lohalisitra (sa izay moa noatao hoe olom-baovao?). Na izany na tsy izany kosa dia manan-kambara ry zareo raha jerena araka ny afisiny. Ny tarigetra lehibe moa dia miompana amin’ny hoe: Fiarahantsika anio fahombiazan’ny ampitso. Toy izao kosa raha bangoina ny lohahevitra apetrany:
Hanao antsakany sy andavany ny asa mahasolombavambahoaka
Hanampy sy hanoro lalana ny fokonolona sy ny solontenany; ireo olomboafidy ny olom-panjakana isan-tokony amin’ny fampandrosoana sy fahamahana olana.
Ny tolo-dalàna hatolotra dia baikoan’ny
Fitandroana ny fifehezan’ny firenena malagasy ny toe-kareny.
Fanatanterahana ny fitsinjaram-pahefana.
Fitsinjovana ny vody andro meriky ny firenena (fiahiana ara-tsosialy sy fisotroan-dronono ho an’ny beantitra tsy ankanavaka).
Nisy namana iray izay moa niteny fa sambany sambany vao nahita eritreritra avy amina kandidà na antoko mhevitra ny benatitra tahaka izao amin’ity fifidianana ho avy ity. Raha mba hevitra tokoa moa no fepetra tokana ifidianan’ny olona amin’ny alahady izao?
Olona tsy miankina mitondra any anarana hoe “feon’ny fahendrena” (eto Antananarivo moa misy radio silamo izay mitondra io anarana io fa ny fifandraisan’izy roa ireto no tsy fantatro loatra na misy na tsia?) no manana anjara amin’ny takelaka fahaefatra. Olona tsy fantatra loatra raha jerena amin’ny anarana sy ny asany izay dokotera fa tahatahaka ireny fantatra ireny kosa raha jerena endrika (Ny Malagasy ve moa tsy fantapantatra ihany hoe Malagasy io?). ny olona iray mametraka ny afisiny amin’ny rindri-tranony no nohatoniko ka nanontaniako ny mombamomba azy. Tahaka ny mahafantatra tsy mahafantatra izany ramatoa io.Monina any akaiky ny vatobe hoe izy (izay mpandeha fiara fitateran’olona mnkany Ivato Seranana dia mahafantatra izany toerana izany tsara). Lazainy ihany koa mpanampy ny olona rehefa tonga ny voina mpitranga amin’ny ambany tanàna. Izay no mba fantany dia mba ampitaiko etoana. Manaraka izany dia izao koa ny soratra manaraka ny afisiny:
Izany hoe raha fehezina dia te hisintona ny vaton’izay mahafantatra azy izy. Saingy ny lesoka lehibe kosa dia izao: Ny laza ratsy no miely haingna kokoa noho ny laza tsara ka raha malaza tsara ianao dia ela izany vao hipaka amin’ny maro afa-tsy hoe tena goavana be nahasehaka ny firenena manontolo izay nataonao no sady manana haino aman-jery ianao hiantsoantsoana izany. Noho izany tsy manam-potoana ahafahana manadihady loatra ny aminao ny mpifidy maro.
Ny antoko manaraka indray dia ny Antoko Miombon’Ezaka izay afohezina amin’ny anarana hoe AME. Antoko noforonin’ny Jeneraly Ramakavelo nefa voatery nialany rehefa betsaka ny avy ao amin’ny antoko AKFM Fanavaozana no nisintaka tamin’ny antokony taloha fony tsy sahy nanohana ny filoha ankehitriny io antoko io. Ankehitriny moa dia Atoa Ravalison Clément, kandida ho ben’ny tanànan’ny Fanavaozana teto Antananarivo tamin’ny fifidianana ho Ben’ny tanàna Antananarivo ny taona 1999 no mpitarika. Ny lohahevitra napetrany dia hoe fahamendrehana, fitsinjovana ny mahaolona, fiarovana ny soa iombonana, fanetsehana ny asa fampandrosoana. Ny afisy kely kosa dia mametraka fa hanefa ny tatitra amin’ny vahoaka, hiserasera sy hifampidinika amin’ny vahoaka, hanampy sy handroso vahaolana amin’ireo sefom-pokontany, hanentana ny mpiara-belona sy ny mpiombona antoka, hivoy sy hanapariaka ny kolontsainan’ny fandrosoana ary hitaiza sy hanabe ny tanora ireo kandidany raha izy ireo no lanim-bahoaka.
Ny antoko manaraka kosa indray dia ny Grad Iloafo izay mametraka ny tarigetra hoe: “Asio dikany ny safidinao” miaraka amin’ny sarin’ireo hirotsaka kandidà no hany hita. Dia tena tsy hitako ihany koa izay ambara miaraka amin’izany fa Atoa Ratbetsitonta Tovonanahary, minisitra tamin’ny fitondran’ny Profesora Zafy, no filoha mpanorina azy. Antoko miaraka amin’ny fitondrana, sahala amin’ny Teza ihany koa fa nandrotsaka depiote ho azy manokana kosa. Niezaka ity antoko ity mba hahasehaka an’Antananarivo renivohitra farafaharatsiny. Mifanahatahaka amin’izany ihany koa ny lisitra Arema izay aorian’ny vondron’ny mpitsara soratako eo ambany io. Ny sarin’ny sekretera nasionalin’ny Arema elatra Pierrot Rajaonarivelo miampy ny sarin’ny bileta mena misy sary kintana fotsy ary ny soratra hiaro ny tombotsoanao sy hitondra marina ny hetahetanao ihany no hita aminy ka mihanahana tanteraka aho amin’izay fanazavana tokony hatao. Ry zareo aza ve moa tsy misy fanazavana loatra ka izaho indray no hitady inona eo?
Dia manaraka kosa ny Sendika Mpiasa Miray Feo izay ny sendikan’ny mpitsara nanao fitokonana lavabe taoriana kely fotsiny nitondran-dRavalomanana no tena mahazo vahana ao anatiny. Izany hoe mpitsara roa no roa lohalisitra amin’ity vondronoa nandrotsaka olona hofidiana ity. Ny voamarika dia toa misy vondrona roa samihafa ihany mikarakara ny zavatra soratana. Ny ilazako izany dia misy afisy be loatra ny teny malagasy diso voasoratra ao anatiny nefa misy ihany koa ny lahatsoratra tena voasoratra amin’ny teny malagasy tsara. Ny foto-kevitra najoro moa dia miompana amin’ny fanoratana fa tsy misy olona ambonin’ny lalàna ary ny lalàna tsara dia mifanaraka amin’ny hetahetam-bahoaka no ahazoana fiaraha-monina mirindra. Dia ambara koa manaraka izany fa tsy zoviana (nitarika fitokonana ve tsy ho fantatra?) ireo mpikambana nilatsaka hofidiana. Mitaky ny fifandanjam-pahefana ihany koa ry zareo ary mikendry ny fananganana tan-dalàna izay mahatonga ny mpitondra sy ny entina ho voafehin’ny fitsipi-dalàna mitovy eo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana Mahaleotena.
Ny vondrona fahasivy farany holazaina anao etoana dia ny ALDR na “Alliance Liberal-Démocrate pour la Regionalisation” ary adikany amin’ny hoe Miara-mirindra ao anatin’ny Demokrasia mampandroso ny faritra. Ny tarigetra indray moa dia hoe Samymaranitra amin’izay tandrify azy. Ny hataony moa dia hoe manangana lalam-bola sy lalam-barotra vaovao hampitombo ny fihariana ary atao lanja miakatra ny fidiram-bolan’ny tsirairay miatrika ny vidim-piainana amin’ny alalan’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Tsy dia fantatro loatra ny ankoatra izay apetany amin’ny afisy. Dia izay sy izay aloha ny hita any amin’ny afisy isy ny fari-pifidianana misy ahy ry zareo mba hahitanareo ny zava-misy eto Madagasikara eto.