Ho an'izay tsy mahalala ny tantaran'i Keliberano na nampalaza an'i Keliberano dia fintiniko vetivety aloha ny zava-nitranga. Tany amin'ny faritra atsimo misy ny fari-piadidian'i Fianarantsoa sy Toliary iny nandritra ny repoblika faharoa dia nisy famonoana mahatsiravina mpandeha iray taxi-brousse (ampolony no dikan'izany) teo amin'io faritra Keliberano io. Manaraka ny lalam-pirenena fahafito iny izany. Tsy dia fantatra loatra ny antom-panafihana tamin'ny voalohany fa mpanao dabokandro iray no niteny fa izy no tena notadiavina sy nokendrena tamin'io fanafihana io. Vao avy nahalafo omby maromaro manko izy ka nikasa handray ilay taxi-brousse. Teo ampiaingana anefa ranamana mpanao dabokandro dia toa nahatsikaritra zavatra hafahafa teny amin'ny mpitandro ny filaminana teny an-tsenan'omby (mila mijery tantara indray mandeha angamba aho fa na Ambalavao ilay tsenan'omby na Ihosy). Noheveriny fa izy no noresahin'ny zandary tamina Talkie Walkie hoe lasa (tamina taxi-brousse iray). Niala tamin'io taxi-brousse io izy ary niandry fiara hafa indray handehanana.
Akory ny hagagany rehefa nandalo an'io faritra Keliberano io izy fa feno diam-bala ny taxi-brousse nialany ary maty voatifitra avokoa ny mpandeha rehetra tao anatiny. Rehefa notopazana ny tao anatiny dia voasavasava avokoa ny entan'ny mpandeha ary hita hoe nojerena avokoa ny tavan'ireo mpandeha notifirina ireo. Afa-doza ranamana saingy ny hafa no nidiran-doza. Noheverin'ny olona tamin'izany fotoana izany, satria tsy reko ny valim-panadihadiana tamin'izay nanao io heloka bevava io, fa "zandary" angamba no nanao ny sakana ary nijanona soa aman-tsara ny fiara. Ny fijanonan'ny fiara tamin'ny sisiny manko no nieritreretana izany. Vao nijanona dia nitaky ny hijery olona tao ireo "zandary". Vao tafiditra ry zareo dia norarafany notifirina avokoa na mpandeha na mpamily. Ny olona lazondazony rehetra ataoko fa mahatadidy ity raharaha ity. Ny noahiahian'ny be sy ny maro tamin'izany fotoana izany moa dia olona ambony manana anjara toerana tamin'ny fitondrana ihany.
Niverina tao an-tsaina indray izany rehefa nandre sy nahita ny fanafihana nitranga teny Ampangabe (vavahady fidirana an'Analamanga) aho. Saiky fomba fitafy miaramila na mpitandro ny filaminana sy fitaovam-piadiana voatokana no nentin-dry zalahy. Saingy hafa indray ny paika: fiara indray no nanaraka azy. Ny zavatra tsy itovian'ny tantara dia tsy naripaky ny ny 'jiolahy' ny mpandeha. Ny nanaovany azy kosa dia toy ny efa matihanina mihitsy ry zalahy. Ny akanjo sy ny fitaovana moa dia an'ny na mifanakaiky amin'ny an'ny mpitandro ny filaminana ihany.
Efa nomarihan'ny mpamily moa fa tsy azo atao ny mandeha irery amin'ity lalam-pirenena ity fa tsy maintsy mifampiandry mba hanao tohivakana. Fanaon'ny mpandroba manko ny mifandray amin'ny alalan'ny finday amin'ny faritra manodidina azy hahalalany raha misy fiara mety handalo eo amin'ny toerana hanaovana ny fanafihana ao anatin'ny telo minitra eo ho eo. Dia tratra indray izany aloha ny mpanao dabok'andro tamin'ity indray mitoraka ity. Ary manana sampam-pitsikikovana matanjaka mihitsy ny jiolahy raha tsy hoe ry zalahy no manana namana ao amin'ny sampam-pitsikilovana nefa sanatriavina anie izany.

Mbola tsy naheno anaran-tanàna Ambohitandroka aho fa ireto sary vitsivitsy ireto no anehoako aminareo hoe sao dia Ambohilavatandroka ary no anarana mety amin'ity tanàna asehoko eto ity. Mba Ambohitandroka ihany ny tanan-dehibe rehetra manerantany fa mba miavaka kosa ity tanànan'ny tanora amin'ny ankapobeny nefa tsy antsoina hoe Ambohijatovo ity na dia izany aza.


Ireo ny sary asehoko anareo: vinanio aloha hoe tokony ho sarina inona moa ireo manaloka ireo. Toa bararata toa zozoro nefa voatr'olombelona ireo fa tsy vita nanahary ry zareo a! Ireny tandroka maniry ohatry ny anana mameno ny tanàn-dehibe mankany amin'ny fandrosoana ireny anie no lazaiko anareo e! sa mbola tsy fantatra ihany?

Faritra ambony atsinanan'Antananarivo io asehoko anareo io ary mananontanona ny haavon'i Manjakamiadana aza io vohitra io na dia somary ivaiva kokoa aza. Izay mipetraka eny mahalala avy hatrany fa Ambohipo no lazaiko. Hitanareo ve ny mampiavaka io tanàna io indrindra fa eny amin'ny "cité" ary any amin'ny mpianatra? Ny halavan'ny tandroka no tiako lazaina anareo.

Takona an'Ambohimitsimbina manko ny ilany atsinanana amin'io vohitra io nefa mba te-hijery fahitalavitra ny sarambaben'ny olona sy ny mpianatra dia akarina avo dia avo ny tandro-pandraisan-dahatsary. Dia lazao fa diso koa ny teny gasiko! moa tsy tandroka no dikan'ny "antenne"?

Raha Zavaboary hatrany no hisintonana ny mpizahatany haketo Madagasikara, ny tandroka voatr'olombelona kosa angamba no azon'Ambohipo hisintonana mpizahatany na avy eto an-toerana na avy any ivelany. Ny mahavohitry ny fo an'Ambohipo aloha tsy fantatro loatra fa ny halavan'ny tandroka no hitako. Mba mananontanona ihany koa ny eny amin'ny sitey AnkatsoI sy AnkatsoII fa Ambohipo miavaka mihitsy e! Mampahatsiahy ny radio Netherland (oadray izany fahadisoan-tsoratra!) ery Langaina ireo tandroka maro ireo.
Itony vaovao itony dia nanana ny lazany tamin'ny fotoan'andro nandehanan'ny karajia. Na dia mba miezaka ny hampahalala ny antsipiram-baovao aza ny mpihaino any amin'ny kidaona maraina, hany sisa azo iresahana dia tsy hahenoana valiny sady tsy misy manampy rahateo, resaka kivalavala vianinany ihany no tena renao any.
Tany ho any amin'ny tapak'ity volana ity no nahenoana fa naverina ny fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana any amin'ny minisiteran'ny tetibola (Sampandraharaha ankapobeny momba ny hetra). Ny antony tsotra nolazaina dia nisy zavatra tsy ara-dalàna. Raha nomanina manko ity fanadinana ity dia nolazaina fa hatao mangarahara ity fanadinam-panjakana notontosaina tamin'ny tapaky ny volana desambra ity. Hanara-maso akaiky ny fanadinana manokana ny Bianco sy ny resaka hafa toy izany. Dia io fa haverina hoe.
Lasa amin'izay ny tombatomban'ny olona hoe nisy nahita "sujet" ve? sa nisy inona tokoa? Raha mbola eto ampiakarakarana azy talohan'ny tapaky ny volana desambra manko dia nolazaina fa tsy hisy hahita mialoha ny laza adina izany. Mipetraka anaty kapila mangirana misy fanalahidy manko araka ny filazany ka ora iray mialoha ny fanombohan'ny fitsapana vao atonta printy ny laza adina. Ny fanalahidy moa dia ny ao amin'ny foibe mihitsy no mamoaka azy vao mety misokatra.
Dia tsahotsaho sisa, satria tsy hamoaka fanavazavana amin'ny antsipiriany mihitsy ny ao amin'ny fitondrana na dia notadiavin'ny maro aza izany, no nahenoana hoe nisy nampifamadibadika hoe ny anarana sy ny taratasy nosoratan'ny mpiadina nokasaina hahaafaka ny "namana" sasany kanjo tratra izany kinasa izany. Dia izay hoe no antony!!! tsy ofisialy. Manana namana mpamaham-bolongana ao amin'ny minisiteran'ny vola sy ny tetibola isika saingy tsy hanery azy hamoaka ny fantany sady mety tsy ho hitany rahateo izao lahatsoratro izao.
Ianareo angaha ahoana? noho ny fiatoan'ny karajia dia tsy manana loharanom-baovao loatra intsony aho. Iny manko no tena mba nanarahako ny vaovao eto Madagasikara indrindra ireo tsy mba lazain'ny haino aman-jery loatra. Marina fa manana vaovao ihany aho saingy tena nilefitra dia nilefitra ny fahazotoana.
Na izany aza dia mba hanoratra ihany aho sao ataonareo hoe dia lasa aiza loatra. Eto ihany fa tena kamo e! Fa na dia tsy hitako manontolo aza dia nahenoana akony ihany. Fandaharana mandalo nokarakarain'ny mpanatontosa ny fandaharana randrana mbs ny fandaharana "tena tia", fandaharana hanaovana fifaninan-kira ho an'olon-droa. Ny loka voalohany dia tapakila maneha mankany Paris ho an'olon-droa. Ny hira atao dia tsy maintsy hiram-pitiavana hirain'olon-droa.
Misy dingana maromaro ao fa ny dingana fanombohana moa dia tsarain'ny mpanakanto telo ahitana an'i Samoela (hatramin'ny oviana moa no lasa akaiky ny groupe tiko i Samoela izay tsy nandeha tamin'ny mbs mihitsy ny hirany tany aloha tany?), Rija Ramanantoanina ary Dah'mama. Any amin'ny atsasa-pamaranana vao miditra mandray anjara fanohanana ny mpijery sy ny mpihaino. 25% no anjaran'ny mpihaino amin'io atsasa-pamaranana io ary 35% amin'ny famaranana. Ny fitsaran'ny mpanakanto voalaza teo izany no tena iankinan'ny naoty amin'io fotoana io.
Entina miatrika ny fetin'ny mpifankatia moa ny anton'io fandaharana "tena tia" io. Dia izay aloha fa mba nahita hosoratana aza.
Ny vahiny ihany no mety hahatsikaritra, na ny elaela tsy niserana io zaridaina ao Antaninarenina io. Aleo aloha lazaina fa ny zaridaina lazaiko eto dia ilay eo amin'ny kianjan'ny fahaleovantena. Loza fa mety ho betsaka tsy ny mahalala ny anaran'io zaridaina io ho kianjan'ny fahaleovantena, sa efa mahafantatra ianao. Izay aloha no fahalalako azy e! noho ny tsangambato nanome endrika Madagasikara eo afovoany io sy ny tsangambaton'ny filoha Tsiranana filoham-pirenena Malagasy voalohany hatramin'ny niverenan'ny fahaleovantena no tena nahatsiarovako ny anaran'ny toerana.

Hatramin'ny andron'ny Ben'ny tanàna Razanamasy, raha tsy diso aho, no nisy fivoarana io zaridaina io. Noreharehana fatratra ho efa manakaiky ny any Andafy ny hatsarany. Nomena hikarakara azy rahateo ny "Le Buffet du Jardin" (aza tsiniana aho raha diso no fanoratro teny frantsay e!). Lasa fipetrapetrahana mahafinaritra ny olona ny nankeny.

Saingy raha mankeny kosa ianao amin'izao fotoana izao dia hahatsikaritra fa mihamitotongana indray ny hatsarany.
Tsia, diso aho. Mizara roa ry zareo ny zaridaina a! ny amin'ny ilany atsinanana voakolokolo tsara fa ny ilany andrefana zara raha voakolokolo raha atao hoe misy mikolokolo.
Ny mpanasaraka ny faritra izany dia ny lalana fizoran'ny mpandeha an-tongotra ahitana ny tsangambato roa nolazaiko teo.

Ny ilany atsinanana amin'io zaridaina io dia toy ny faritra miramirana sy tsara jerena izany. Voahety tsara ny bozaka ary mivandravandra ny fikarakarana e! ny olana aminy fotsiny dia talaky masoandro be ny eny noho ny tsy fahampian'ny hazo manaloka. Ny seza kosa aloha meva rahateo e.

Fa ny ilany andrefana indray rey olona. Oadray! Andeha mody atao hoe faritra maitso anaty tanàna dia tsy maninona na tsy voakolokolo aza nefa mba mahamenatra ihany eo anatrehan'ny mpandalo rehetra. Ny tombony kosa aloha dia be indray ny seza amin'ity faritra ity ary ankavitsiana amin'ireo seza ireo no tsy misy mipetraka mandritra ny tontolo andro. Ilay ahi-dratsy anie tsy maninona ny fisiany raha voalamina hahafinaritra ny maso fa mba mahasosotra kosa raha lasa karazana lobolobo e! Fa anjaran'iza ary ny mikarakara ity ilay andrefan'ny zaridainan'Antaninarenina lazaina amin'ny fomba ofisialy fa kianjan'ny fahaleovantena ity e? Dia tohizo ny dianao re fa eritreritra miserana fotsiny ny ahy.
