Nanome Ultimatum hatramin'ny 13 janoary i Andry TGV

2008-12-21 @ 21:35 in Politika

Nanao fandaharana manokana tao amin'ny Radio VIVA ny Ben'ny tanànan'Antananarivo Andry Rajoelina ny alahady 21 desambra 2008. Nandeha mivantana tao amin'ny ny Radio Don Bosco sy ny Antsiva ihany koa izany resadresaka izay naharitra ora iray sy sasany izany, nihemotra tsy nandefa azy kosa ny Aceem Radio raha efa henoko tao amin'ny VIVA tamin'ny Sabotsy tamin'ny valo ora alina ny anarany. Ny mpanao gazetn'ireo radio telo ireo noho izany no karazan'ny hoe mpanentana mialoha ny amoahana ny fanambarana fitakiana avy amin'ny Ben'ny tanàna.

Lava ny fotoana, ary fantatrareo fa lava soratra ihany koa aho, ka dia hiezaka ny hamintina araka izay azoko atao. Betsaka ny sakatsakana nandritra ny fampielezan-kevitra sy ny nitantanana an'Antananarivo, nefa matoa aho lany Ben'ny tanàna dia noho ny fitahian'Andriamanitra. Na inona na inona nitranga sy nihatra dia notanterahiko hatrany ny asako satria ny FITIAVANA no tena nanetsika ahy.(Mifampitaha amin'izany dia notondroiny ankolaka ho miasa amim-pankahalana kosa ny mpitondra ny firenena noho ny "fanenjehana" mihatra aminy). Na natao aza ny tsy hiteny (efa reko izay fomba fiteny izay indray maka) fa mafy ka mafy ny manjò ka misy ny fotoana tsy maintsy itenenana. Asiana diversion hatrany mba tsy ahatontosana ny adidy.

Ny lapan'ny tanàna: tsy maintsy vita io. Andralanitra: fantatra fa isaky ny volana desambra tsy maintsy misy ny olana satria mitombo ny fako amin'io fotoana io, nefa vita ny lalana mankany amin'izao fotoana izao. Natsangana ny hotelin-jokiolona: centrale d'achat ahafahan'ny zokiolona mividy entana amin'ny vidiny mora. Mitsangana ihany koa ny hotelinjaza isaky ny fokontany ho an'izay tena marofy ka Ar100 dia efa ahazoana sakafo ampy ho an'ny zaza (latsaky ny dimy taona izy io raha tsy diso aho: fanampiny nampidiriko).

Misy farany ary misy fetrany ny zava-drehetra. Ny fitondram-panjakana mikapoka aloha vao mieritreritra. Aoka angambany izay fa aleo apetraka ny fitsipi-dalao ahafahana manatanteraka (mametraka) fitakiana. Atao ny ady amin'ny tsy fahafaha-miteny, ny asan'ny radio sy ny tele no fototry ny fahafaha-miteny. Tsy manana fifandraisana amin'ny Amiraly na mivantana na avy olona akaiky azy. Efa natao koa izany hoe nanana fifandrasaina tamin'i Pierrot Rajaonarivelo, mbola ho avy koa ny filazana fa manana fifandraisana amin'i Ben Laden.

Ny mpanara-dia ahy hatrany am-piandohana dia efa nanahy ny mety hisian'ny fisamborana. Manana réseau ny tena any amin'ny sehatra maro any, ka hatrany amin'ny masoivoho dia efa nanamarina fa misy tokoa io fisamborana io.(Ahy mpanoratra hatrany ny anaty fononteny: Ary efa naely koa ny tsaho tamin'ny zoma fa efa nialokaloka tany amin'ny masoivoho Amerikana ny tenany, tetika entina hatrany hampahatezitra ny vahoaka kokoa izany tsaho izany).
 
Tsy mbola nisy gadra politika noho ny (nogadrain'ny fitondrana) amin'izao fotoana izao, maro ny manamboninahitra nogadraina ary hatramina praiminisitra aza (Tantely Andrianarivo) aza sahiny nogadraina. Fantatsika fa raha misy rantsana iray maharary dia mahatsapa izany ny tena manontolo; Antananarivo anefa no fon'i Madagasikara, ary rehefa ny fo voantohintohina dia i Madagasikara manontolo no tohina (marary). Hatraiza loatra ny fankahalana? Nahoana no natambatra i Ivato seranana sy Ivato tanàna? (ary anisan'ny nahatezitra azy koa eto rehefa tena dinihina ary izay no mahatsara ilay miresaka sahala amin'izao) Nefa ny fahalalàn'ny olona dia eto Antananarivo no andraisana (ny vovonana anankiroa mampiasa ny teny frantsay sy afrikana) sa afindra any Ivato indray ny renivohitra? Vao lany volana vitsivitsy monja aho dia nihazakazahana ny nanaovana an'i Toamasina ho renivohitra ara-toe-karena ka nilazana fa tsy maintsy atao ny hanatsarana ny tanàna.

Karazany divorce amin'ny antoko lehibe no nisafidianan'ny olona anao koa inona indray no iarahanao amin'ny mpanao politika amin'izao fotoana izao? Ny tsara homarihina, ny fampiantsoana ny lehiben'antoko na sendika dia tsy amin'ny maha-Ben'ny tanàna ahy fa amin'ny maha-filoha mpanorina ny TGV ahy. Tsy manana fotokevitra politika ka tsy manavaka finoana na fihaviana ny TGV. Ny mampiray hevitra ireo olona rehetra ireo dia ny fahatsapana fa be loatra ny fanitsakitsahana ny zo sy ny demokrasia eto amin'ny tany sy ny fitondrana. Olana be izany hamory olona izany? hapetraka ny kianjan'ny demokrasia ahafahan'ny antoko politika miresaka amin'ny vahoaka, afaka miteny daholo ny antoko rehetra fa azy kosa na mahazo olona izy na tsia... izaho dia resy lahatra fa natambatra (tamin'ny antoko mpanohitra?) ny hery hihainoan'ny fanjakana ny fitakiana satria izay be no basy ary ny hevitry ny maro mahataka-davitra.

Ny filazana ny zavatra marina sy ny zavamisy tsy midika velively ho fitarainana (efa reko koa izay fomba fiteny izay). Tsy mba miverina amin'ny fanapahan-kevitra raisiny (io) fanjakana (io), koa fandresena raha tafaverina tamin'ny Kaominina ny SAMVA sy ny gare routiere. Fandresena ny zavatra nisy hatreto. Betsaka ny fitakiana hataonay amin'ny fanjakana manomboka izao.

Tsy mba ampiharina mitovy ny lalàna fa misy ny mahazo mahahenika an'i Madagasikara (mbs izay) nefa ny lalàna tsy mamela izany. Manome fe-potoana amin'ny fitakiana? hatramin'ny 13 janoary (izany hoe iray volana katroka aorian'ny fanakatonana an'i Viva). Mazoto amin'ny fifanatonana hifampiresaka ve? ny fepetra (noraisin'ny fanjakana) tsy nisy resaka fa tonga dia jadona hoe mikatona dia mikatona fa raha hisy ny fifampiresahana dia ny hevitry ny maro no ho entiko fa tsy ny ahy samirery. Ny valiny andrasana moa dia ny fanekena ny hetaheta.

Niakatra ny tahan'ny fidiram-bolan'ny Kaominina raha ampitahaina tamin'ny herintaona: ny volan'ny fampisehoana niakatra 73%, ny parking 35%, ny tsena 30%, ny hetra 36%. Ny 80%n'ny fampanantenana dia efa tontosa avokoa. Tamin'nyvolana janoary dia tsy nisy vola tao amin'ny caisse. Amin'izao fotoana izao kosa dia manana ambim-bola 20 miliara fmg (mbola izany ve ny anarany?) ka afaka nizara prime ho an'ny mpiasa. Ny fanambiko dia ny hahavita be lavitra noho ireo Ben'ny tanàna rehetra teo aloha. Tsy afaka hosomparan'ny na iza na iza ny mandat fa efa-taona no nifanarahana. Ao anatin'izay dia ho hitantsika ny zava-bita.

Miala tsiny fa noho ny halavan'ny fotoana dia tsy andriko intsony ilay fanambarana nefa azo veroka ihany fa izay efa voavakinareo tamin'ny aterineto nandritra ny fihaonana tao amin'ny La Rotonde ihany no averiny ao. Mbola maika ny hijery baolina aho ka ny valin'ny tany aloha dia roa sy roa ny baolina tamin'ny fotoana ara-dalàna fa resin'i As Adema (4 _ 2) ihany ny Akademia Ny Antsika rehefa niditra fanalavam-potoana. Afa-bela ihany izany ny Adema!

Tssss! aiza akory izay famintinana eo e? izaho ary tsy diananeho ny hevitro loatra fa ilay resaka no tena nibahan-toerana koa.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Desambra 2008 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox