Tena aleo tsy hifanaraka mihitsy e!

2009-02-27 @ 22:44 in Politika

Voalohany: raha tsy dia salama loatra ny fonao ianao aza mamaky ity lahatsoratra ity aza fady indrindra. Nahavariana ry zareo, fahatsapana ny ahy, fa maro tamin'ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany no faly kokoa aza raha vao tapaka teo iny dinika iny. Izaho ihany koa dia tsy resy lahatra velively amin'izay ho vokatry ny fifanarahana mivoaka eo fa io marimaritra iraisana tsy voafehin-dramalagasy io foana no mba ventesina mandrakariva eto, filaminana tsy mitombina no hivoaka avy ao satria tsy manaiky fifangaroana velively izay efa namoy havana mbola mafana fo amin'ny fitolomana. Izaho ihany koa tsy mety levon'ny vavoniko velively izany hoe nitarika ny fandrobana ka nahatafiditra teto Madagasikara izany kolontsaim-pandrobana izany no hanana anjara fitantanana ny firenena ka mirary dia mirary izay hampandamoka ny fifanarahana aho (lasa extremiste ve aho amin'izany?). Matoa te-hanao io fitokonam-be etsy amin'ny kianjan'ny 13 mey io ny mpioko arahina sy anararaotan'ny mpandroba hanohizany ny reviny ny sabotsy 28 febroary 2009 dia mba ho fanehoan-kery hoe ka hanana vahana amin'ny fihaonana eo ambany fanaraha-mason'ny firenena mikambana mba hampiharana izao tetezamita izao. Mazava loatra fa toheriko izany tetezamita izany satria tsy hitondra mankaiza mihitsy. Any amin'ny tany mandroso hatrany ve no tena ampiharina ny lalàna rehefa misy mandroba sy mangalatra fa ny aty amin'ny tany an-dalam-pandrosoana tsy maintsy asiana fifanarahana mandrakariva? Anaovana kilalao tahaka izany mandrakariva ve ny vahoaka? tena tsy rariny kosa!

Vaka ny saina mahita ity fepetra napetraky ny arshevekan'Antananarivo vao manaiky ny hiverina hanelanelana izy. Hanaja ny teny nifanomezana ny mpifanandrina, malalaka ny fanehoan-kevitra izany hoe ny fahazoako azy dia tokony tohizana mandrakariva ny fihetsiketsehana an-dalambe ka mandrava ny tany amin'ny taratasy savaranon'ando nosoniavin'ny tenany ihany, ary ny tsy isiana fisamborana politika (na ny fahazoako azy dia ny tsy isamborana izay efa nikitikitika politika na dia efa nanao izay tsy mendrika nanapotika ny firenena na fananam-pirenena sy nanao fahotana mahafaty aza)! Koa raha izany no izy aleo mandamoka any ny fampifanatonana e! Ampihorohoroana mandrakariva izany ny olo-tsotra fa afa-manao izay danin'ny kibony hatrany ry zareo tsy menatra ny manapotika ny firenena? Tena tsy malagasy intsony aho izany manaiky ny zavatra tsy rariny toy izany! Rehefa manaiky ny hilefitra ka tsy hanao na inona na inona amin'io Asabotsy 28 febroary 2009 io ny filoha Ravalomanana amin'ny alalan'ny Emmo nat dia izay no izy ny aminy. Motraka izy ka aleo tsy mitondra tokoa ary miala avy hatrany!

Fitiavan-tena ve ny ahy raha miteny izany aho sa diso misolelaka loatra aho? Tsotra ny anton'izany! Manjakazaka loatra amin'ny atrehin'ny masoko ireo te-hitavana fotsiny ny hasasaran'ny hafa vao mahazo vola. Maninona raha mba misasatra sy mifofotra koa fa tsy manelingelina ny hafa e? Toy ny efa mitondra mihitsy ry zareo nahazo ity mpitolona ho amin'ny "demaokrasia" ity. Mampahatsiahy ahy ilay "fanjakan'ny madinika", nanararaotan'ny sasany hananganana ny TTS (tary Tonga Saina) handroba izay rehetra tsy mitovy hevitra aminy. Hitahita taratra sahady ny tsirin'asa hataony amin'ny alalan'ny "fampihorohoroana" rehefa izy no hitondra fa mbola maro moa ny jamba tsy mahalala afa-tsy ny fanesorana an-dRavalomanana ho vahaolana ialàna amin'ny fahatrana, na dia miharihary izao aza fa mihatra manerana izao tontolo izao, indrindra ny tany tandrefana ny krizin'ny toe-karena sy ny vola, ary dia "manivaiva" ny "mpanaja ny ara-dalàna" ho tsy mahalala menatra ka tako-kenatra sisa no "hitafianay". Efa izay toe-tsaina tia manala olona izay no efa nahavoa taloha ka mbola tohizana hatrany. Izay tokoa ilay kinga amin'ny fandravana fa votsa amin'ny fananganana e!

Dia mihomehy aho mahita izao fivorian'ny mpitarika antoko politika izao ka mametraka an'i Andry Rajoelina ho "mpitarika" azy rehetra, mametraka an'ilay "tsy miankina" ho filohaben'ny fanoherana! Tadidinareo ve ny 2001? Tezitra dia tezitra tokoa ny filoha Nasionalin'ny Leader Fanilo Itpkl Herizo Razafimahaleo tamin'izany fotoana izany niteny hoe "Oviana koa no ny antoko politika indray no misintaka tsy hifaninana ka omena ny "tsy miankina" ny safidy?" rehefa nisintaka tsy hifaninana ny filoha Nasionalin'ny AVI (Asa Vita no Ifampitsarana ka rehefa hita fa nahavita be ny filoha Ravalomanana dia novaina indray ny anaran'Antoko ka natao hoe Akaikin'ny Vahoaka Indrindra). Dia izay teny izay ihany no atsidiko ny antoko Leader Fanilo ka ivereno vakiana fa tsy soratako intsony. Mieboebo manko ry zareo manao hoe "Izahay no voalohany nilaza fa tsy mety mihitsy io fomba fitantanan'ny filoha Ravalomanana io!". Fa manantena inona hatrany ary ry zalahy mpanao politika ireto? seza? fa angaha tsy nisara-kevitra rehefa nandeha ny fanendrena minisitra an-dalambe mpamaky ny trano-na Minisitera? Hay e efa niova filamatra ny Leader Fanilo ka mankasitraka indray ny fidinana an-dalambe e! iny indray no tsy hitako!

Farany, efa nabosako mandrakariva teto ny tokony handravana ny antenimieram-pirenena hanaovana fifidianana mialoha ny fotoana fa tsy ekeko velively kosa ny fifidianana filoham-pirenena mialoha ny fotoana fa dia niova ny hevitro ankehitriny. Mety ho mahasoa ny mpanohana an-dRavalomanana izany, satria tsy hankasitraka fandrobana sy fandoroan-trano ary fanendahana hihatra aminy velively ny olo-tsotra any Ambanivohitra rehefa izay no averimberina aminy mandritra ny fampielezan-kevitra (izay voa aza tezitra fa fandresen-dahatra hahomby io!) koa dia mihevitra aho hoe aleo ajanona fotsiny amin'izao, na dia matimaty foana aza ny maty tamin'ny tolona satria efa izany hatrany no nitranga hatramin'ny 1972, eny 1947 aza, no mankaty! Fahamarinana mandratra fo ny Besinimaro io nefa aleoko tsy mihatsaravelatsihy! Raha hisy manko ny fifidianana na fampielezankevitra dia tsy hisy raharaha ho vanona eto fa tena ady saritaka mivantana no ho hita. Ny fampihorohoroana manko no tena hanjaka fa tsy ny fampielezan-kevitra nefa tsy hisy hanaiky hampihorohoroana ny mpifanandrina, noho izany tsaratsara kokoa tsy misy fifidianana na fitsapa-kevi-bahoaka noho ity toe-draharaha ity. Tokana noho izany ny vahaolana hitako! Adabohy ny fikomiana! Fanamarihana: tsy mandatsa-dranomaso ihany ilay baomba nafarana avy any Shina fa mampangidihidy lozantany ihany koa... asa iza angaha no mety hahita ny fanefitr'ilay mampangidihidy? ( aza hitako mihaotraotra ny iray fiangonana rehefa tonga ny alahady! hiharihary ihany ny mpitolona mafana fo raha izany koa). Hevitro ho ahy samirery no tena nanaovako izao soratra izao nefa aleo zaraina ihany ho hitan'ny rehetra fotsiny.




jentilisa 27 febroary 2009

Mahamasina - Anosibe : Filana ady tsotra izao!

2009-02-26 @ 23:12 in Politika

Tsy nampino ahy tamin'ny voalohany ny antso hanaovana sit-in teo anoloan'ny kianjaben'i Mahamasina androany alakamisy 26 febroary 2009 ho fanesorana ny PDS Guy Rivo Andrianarisoa noho ny maha-andro tsena azy indrindra. Isaky ny alakamisy manko ny tsena ao Mahamasina ao nefa dia izay no fanapahan-kevitry ny mpitarika ny tolona. Hevitra tena nosainina tokoa ve sa taitai-bombina tahaka ny iampangana ny filoha miova hevitra tampoka eny ampisidinana eny ihany koa? Misy zavatra kendrena mivandravandra be ao.

Voalohany, sao mba mifangaroharo manampy isa ny mpitolona ao ny mpiantsena sy ny mpivarotra tsy nahalala izay hitranga. Efa misy sahady manko ny fanahiana fa tsy hahazo olona betsaka mihitsy ry zareo dia aleo natao teo anoloan'ny kianja ny sit-in. Marihina mazava aloha fa tsy ao ny PDS notendren'ny fanjakana no miasa fa ery Tsimbazaza ery ka mampihomehy ihany ilay sit-in. Lasa avy hatrany ny fanontaniana hoe naninona raha natao tao anaty kianjaben'i Mahamsina mihitsy hahitana ny habetsaky ny olona? sa menatra? Tena indraindray mamelona fankahalana frantsay mihitsy ny ataon'ny mpampita vaovao frantsay milaza fa 3000 ny isan'ny olona nanao io sit-in io. Tomba-maso tsotra dia itarafana fa 500 ireny olona ireny ary raha be miaraka amin'ny mpanao tazan-davitra no mety hahatratra 1000 (izany hoe manahirana mihitsy aloha ny manisa olona an-dalambe manavaka ny mpitolona sy ny te-hijerijery e!). Fa raha tao anatin'ny kianjabe ry zareo dia mety hifampijerijery sy hifampamenamenatra ka mety hampisintaka ny hafa mahita ny hamaroany sy hampihomehy ny mpandalo hoe ireo ve ry zareo?

Faharoa, hanakorontana tsotra izao no tanjony matoa sady natao teo ivelany (an-dalambe) ny sit-in no andro tsena no anaovana azy. Toa sintonina tsikelikely ny mpanatrika hieritreritra hoe "aleo amboarina ireto mpivarotra tsy mety miala ireto" sady efa fahazarana tafara-dalana amin'ny tolona ataony rahateo moa ny mandroba (sy ny mandoro). Tsy miraharaha ny manodidina azy mihitsy ry zareo fa atatatata mafy ny fanamafisam-peo tahaka ireny hoe tsy misy hopitaly tsy misy sekoly manodidina azy ireo. Tenim-pankahalana ve izany soratako izany sa filazana ny marina sy ny zava-misy? Efa nisy aza moa ny fandrahonana ankolaka nahazo ny mpivarotra koa dia naleon'izay tsy te-ho very entana niala tsimoramora. Ny mpivarotra fanaka kosa moa dia miandry ny rariny sisa atao fa tsy mbola tonga tsinona ny fiara mitatitra ny entana mody. Mazava loatra fa nisy tamin'ny mpivarotra sy ny mpandeha anaty fiara fitaterana nandalo teo akaiky teo no voaroba. Tena jiolahy sy jiovavy tafara-dalana mihitsy ireto. Tena mbola misy manam-pahaizana amin'ny fanodikodinana ny sain'ny olona mihitsy koa ao ka nampihevitra ny sasany "hikarakara ny tsenan'Anosibe" indray. Moa va tsy araka ny efa nolazaiko tany alohaloha tany hoe ho avy koa ny handrobana sy ny handorana ny eny Anosibe? Foto-drafitr'asa vitan'ny filoha Ravalomanana ihany koa manko ireny.

Tsy nampoizin'ny mpitolona ny fahatongavan'ny Emmo-nat niditra an-tsehatra tsikelikely rehefa tonga ny atoandro (fiarabe iray sy pick up roa aloha no hitako), tsy taitra mihitsy nitsofoka tany anaty olona, hay haka ny "sono-mobile" sa hampijanona ny tabataba no tena tanjona. Nasain-dry zareo niala ny tao anaty fiara no fijery ilay miaraka amin'ny mpamily? Ny hafa kosa indray nanosika tsikelikely ny "mpitandro ny fandriampahalemana an'ny TGV". Minitra vitsy vao tonga saina ny mpitolona ka raikitra ny tabataba sy ny toratoraka. Niala tsimoramora ny Emmo-naty rehefa tsy azo izay nilainy, tsy taitra mihitsy izy ireo. Tampoka teo, nipoaka ny baomba mandatsa-dranomaso sy mankarenin-tsofina, tsy maintsy hoe homelohina indray ny Emmo-nat satria toerana manodidina sekoly sy hopitaly araka ny efa nolazaiko teo anie eo e! Nanavotr'aina ny olona teo; fa niverina ihany afaka fotoana fohy. Nisy nahita ary fa mbola misy Emmo-nat hafa tao amin'ny kaomisarian'i Mahamasina eo akaiky eo. Tadiavin-dry zalahy hotafihina ireo fa soa ihany fa tonga ny namany (nandeha an-tongotra kosa ireto). Nanao tifi-danitra ihany koa ny saiky hotafihina ka nampirifatra ny olona vorivory teo indray. Nisesisesy amin'izay ny fitifirana baomba mandatsa-dranomaso (toy ny basy manko ny fitaovana) ka izay misy olona mivorivory sy be fandrangitana dia "tifiriny soa amantsara. Tsy mahagaga raha voatosika hatreny amin'ny fisasahan'ny tambohon'ny St Michel ny mpandrangitra saingy tsy nanenjika ireny intsony ny Emmo nat fa ny lalana mankeny Anosibe no nasiany mpitandro ny filaminana.

Ny tolakandro manontolo (hatramin'ny 6 ora sy sasany hariva) no "nanadiovan'ny Emmo-nat" iny Lalana mankany Anosibe iny manomboka eo amin'ny rond-point Anosy ka mandra-pahatonga hatreny anoloan'ny tetezan'Anosizato. Ny tifitra baomba mandatsa-dranomaso no mifaninana amin'ny tora-bato. Mazava loatra fa ny hanosehana ny mpandroba no tena tanjona tao anatin'izany rehetra izany, sady misoroka ny fandrobana sy fandorana ny tsenan'Anosibe e! Marihina fa tsy taitra tsy mihazakazaka hanenjika olona mihitsy ny mpitandro ny filaminana nandritra ny niasan'izy ireo fa manao dia milamina hatrany.

Fa hiverina kely tamin'ilay omaly alarobia indray aho. Soa ihany aho fa efa nanoratra taminareo fa nitondra delegasiona matanjaka ny TGV omaly nankeny amin'ny Le Hintsy Ambohimanambola fanatontosana ny fihaonan'ny roa tonta. Mazava loatra fa ny fahatongavan'ireto vahiny maro dia maro tsy voasa ireto no fialana nataon'ny mpitondra fanjakana tsy hanatrehan'ny filoha ny fihaonana sady nambaran'ny filoha Ravalomanana rahateo fa ny filohan'ny Antenimiera ny Me Jacques Sylla mihitsy no niantso azy tsy handeha eny ho fitandrovana ny ainy. Misy moa ny manoratra hoe tsy tonga tamin'ny fifampidinihana savaranon'ando atao ny maraina (alarobia io izany) ihany koa ny solontenan'i Andry Rajoelina (ny radio mada no nanambara) saingy tsy mahafantatra izay antsipiriany amin'iny resaka iny aho ka sady tsy afaka manamarina no tsy afaka mandiso ilay tokony hisy ny maraina. Ny hitako dia ny solontena manelanelana ny 20 - 30 niditra ny vavahady (ny mpikambana ao amin'ny governemanta an-dalambe sy ny mpiara-miasa amin-dRatoa Ratsivalaka) no azoko lazaina. Mazava loatra fa karazana paik'ady saiky hanapohana ny filoha no tanjona tahaka ny tsy hahalalana mandraka ity androany ny toerana saiky handehanana tamin'ny Sabotsy lasa teo. Mahavariana fa tsy nisy tamin'ny mpanao gazety, na tsy naseho vahoaka ny valinteny, nanontany an'i Andry Rajoelina ny antony nitondrany ireo  olona tsy tokony ho ao anatin'ny delegasiona ireo. Zavatra iray nahatezitra ahy koa io "fanadinoana" io.

Misy ny zavatra tsikaritra tamin'ny tenin'ny Arshevekan'Antananarivo izay toa tsy dia hitako loatra ny nanamarika azy. Efa voambarako ihany moa ny antso nataony tamin'ny mpitandro ny filaminana hiaro ny olona sy ny fananany. Efa fampitan-kafatra ankolaka io ilazany fa mahalala ny zavatra kononkonina izy ka tsy manaiky ny hiray petsapetsa amin'izany. Fa ny faharoa tena tiako ampitaina dia ilay filazany manao hoe: "Misy fetrany anefa ny asa sy ny fahefan’ny mpanelanelana satria tsy mipetraka ho mpitsara izy". (1) Misy amin'iray amin'ny roa tonta no mikasa ny hanaovana ny fotoana ho karazana fitsarana, izany hoe manao izay tsy ifanarahana tsotra izao fa te-handany fotoana amin'izay tsy famahana olana velively; aleo ho an'ny Fitsarana ny asany fa tsy terena hanao ampamoaka ny FFKM. (2) Misy amin'ny ankolafy no manery ankolaka ny FFKM hiandany amin'ny mety ho  fanadisoana ny ataon'ny iray na fanamarinana ny ataon'ny iray, rehefa tsy nanaiky ny FFKM dia lazaina amin'izay fa efa manana fiandaniana, paika hanaovana izay tsy isian'ny fifanarahana ihany koa izany. (3) mety ho be loatra ny fanerena mahazo ny tenany manokana koa naleony tsy miditra amin'ny fanelanelanana intsony, angamba matanjaka noho ny teny hoe "sambatra ny mpampihavana fa izy no atao hoe zanak'Andriamanitra" io antony manery azy tsy hanohy ny fanelanelanana intsony io. (4) Mety ho mahatsapa ihany koa izy fa tsy hisy raharaha ho vanona mihitsy amin'ny resaka ifanaovana amin'ny roa tonta, mety ho samy milaza ho mpitondra ny tenin'ny vahoaka. Izaho manokana dia efa tsy rariny mihitsy ny karazana fampitoviana lenta ny roa tonta nefa raha izay moa no nivoahan'ny ala-olana mba noleferiko ihany. Mazava loatra ao anatin'izany rehetra izany fa tsy mamely ankolafy iray velively ny Arsheveka raha naka iny fanapahan-kevitra iny araka ny fjeriko.

Koa raha politika fanorona no nampiharina nandritra ny fotoam-pihetsiketsehana dia niova ho lalao karatra "poker" indray izany rehefa natao ny fifampidinihana. Heveriko fa tsy mpahay momba izany "poker" izany ireto mpitari-pivavahana ireto (nefa asa moa!) ka izay no mety tsy ahatakarany izay tena ao an-tsain'ireto mpilalao andaniny sy ankilany ireto. Samy hitaintana fatratra indray izany ny rehetra amin'izay mety hitranga etsy Analakely amin'ny Asabotsy 28 febroary 2009 ho avy izao. Hosakanan'ny Emmo-nat ve ny "fitokonana" (fa tsy "fihaonam-be" an!) sa avelany amin'izao? Ho tonga maro ve ny mpanohana ny TGV sa efa manahy fa hisy ny fifandonana eo aminy sy ny mpitandro ny filaminana ka aleo mipirina any an-trano? Ho tonga mialoha ao ve ny mpitandro ny filaminana sa handroaka izay efa tonga mivorivory kosa? Raha izaho manokana dia mahita kokoa ny fahombiazan'ity paika faharoa mandroaka izay efa tonga ity... io hatrany manko tao ho ao no nahomby hatreto. Ny mpanohana ny ara-dalàna (ny filoha Ravalomanana) moa amin'ny ankapobeny dia maniry ny handravana io "fitokonana" io no sady nankasitraka rahateo izay nataon'ny Emmo-nat androany Alakamisy, ary raha azo atao aza dia misambotra ny lohandohan'ny mpisorona mihitsy aza. Dia Asabotsy izany mifankahita...




jentilisa, 26 febroary 2009

Rava ny dinika: Inona indray no hitranga?

2009-02-25 @ 22:00 in Politika


Hita mazava fa nisy olona diso paika teto. Ny maraina androany alarobia 25 febroary 2009 dia efa nisy fanentanana tao amin'ny radio Viva ny hanondroan'ny mpiasam-panjakana solontena telo isaky ny departemanta misy azy any amin'ny minisitera any hidinika ao amin'ny foibeny ao Andohan'Analakely izao. Mazava ny tian-katao fa ny hanentanana sy hamoriana araka izay azo atao ny mpiasam-panjakana mba hitovy lenta tahaka ny tamin'ny 1991 indray ny tolona. Mariho tsara anefa fa tamin'ny 1991 dia nahazo ny karamany ara-dalàna soa aman-tsara ny mpiasam-panjakana am-bolana nitokonany na dia nikatona aza ny biraom-panjakana rehetra fa ahian'ny mpiasam-panjakana kosa ny tsy hahazoan-dry zareo ny karamany amin'ity indray mitoraka ity raha vao manapaka eo izy. Tena masaka tao an-dohan'ny TGV hatry ny ela noho izany ny hiverenana hamory olona eo amin'ny kianjan'ny 13 mey indray rehefa tonga ny fotoana ary mahafantatra izany soa aman-tsara ny filoha, araka ny fijeriko azy. Niova tampoka moa ny fandaharam-potoanan'ny mpitolona tamin'ny Sabotsy 21 febroary 2009 raha nisy iny diabe saiky hotontosaina iny.

Somary nahavariana ahy ihany manko io fiovam-pandaharam-potoana tamin'ny ora farany io, tsy fantatro aloha tamin'io fotoana io na efa fantatry ny TGV na tsia ny nisamborana an'Atoa Ranjivason Jean Théodore na tsia, fa dia araka ny toe-draharaha aloha io. Heveriko fa kendry tsara ny an'ny FFKM nametraka ny ora ho amin'ny 1 ora folakandro tamin'io sabotsy 21 febroary 2009 io tsy hanaovana izany diabe izany izay nampanahy be ihany ny mety ho niafarany, sady ny mpitolona rahateo tsy mahalala izay hahafaty azy na dia samy mihevitra ny ho fetsifetsy aza ny maro. Nahatsikaiky ihany koa anefa ny faharetan'ny fotoana isaky ny mandeha ilay fihaonana fa tsy misy maharitra ora iray mihitsy (in-telo misesy izay). Mazava loatra araka ny fijeriko fa fialana olana fotsiny ilay tamin'ny sabotsy iny nefa dia nanaiky i Andry Rajoelina.

Efa tarataratra ihany fa raharaha tsy ho vanona izy ity. Mifandaka atsimo sy avaratra manko ny resaka tiana ho entina. Ny ao amin'ny TGV mitaky ny hamotsorana ny voasambotra, fahazoana miteny amin'ny alalan'ny TVM mandritra ny telo minitra (te-hahalala izay tena misy ny trano fiasana vaovao angamba izy satria toa voatazona ho tsiambaratelo aloha ny toerana misy azy na voaaro fatratra), fanesorana an'i Guy Rivo Andrianarisoa tsy ho PDS ny tanànan'Antananarivo intsony. Matoa anefa ny Filoha miresaka zavatra tsy eritreretin'ny Ben'ny tanàna efa voaongana mihitsy dia hafa ny sainy sady mety ho fanarian-dia no tena tanjony, fandaniam-potoana hiomanany ihany koa amin'izay kasainy hatao rahampitso sy rafakampitso. Mazava dia mazava fa tsy hiditra resaka tetezamita mihitsy ny filoha nefa dia io no asesiky ny sasany, indrisy fa na dia ireo heverina ho manam-pahaizana aza dia milaza izany ary na dia ny gazety heverina ho tsy miandany aza dia mieritreritra ny karazana rafitra ajoro amin'izany tetezamita izany.

Nampisy fiovan-kevitra teo amin'ny filoham-pirenena ve ny fitsidihan'ny tao amin'ny Antenimieran-doholona azy ka namoahan'izy ireo ihany koa ny tsy fankasitrahana velively izany rafitra tetezamita izany. Ny hita aloha dia lasa nandeha tany Toamasina sy Mahajanga izy, tsy hamory vahoaka araka ny nolazain'ny tao amin'ny Viva Radio tamin'ny maraina fa ny lehibebe tao an-tanàna sy indrindra ny miaramila tao amin'ireo toerana ireo ka namatrapatraran'izay nanatrika indray fa hanaja sy hankatò ny ara-dalàna ny miaramila (sady ho fahafaham-baraka ho azy araka ny hevitra naposako tany an-kafa raahteo izany hidiran'ny tafika avy any ivelany izany) hoe Tsy ilaina ny rafitra tetezamita fa rafitra maharitra hampisy fanaraha-maso tsara ny asan'ny mpanatanteraka (antenimiera). Azo lazaina fa tsy nataon'ny filoha ho laharam-pahamehana velively ny fihaonana tokony hataony tamin'i Andry Rajoelina. Tamin'ity fotoana tsy tontosa ity anefa dia anelanelan'ny 20 sy 30 teo ho eo ny isan'ny delegasiona nentin'ny TGV hokasaina hanatrika ny fotoana ve? Ny an'ny filoha kosa dia solontena roa monja no tonga ary nahalatsa-panontaniana hoe fa angaha hisy tsanga-tanana hatao ka nentina jiaby ity ekipa ity?

Mba manana ny hevitro mikasika ny tetezamita letrezana ity ihany koa aho fa hevitra telo ihany no hambarako etoana: (1)Fandaniambola iniana itadiavana fanoloana mpitondra no dikan'ny tetezamita, noho izany tsy mandeha ilalana amiko. Eto avokoa manko no ampidirina ny akamakama tsy nahazo toerana rehetra nefa dia hokaramaina avokoa ireo rehetra ireo. Ary dia hiova endrika indray ny fandaniam-bola mety hihoam-pampana hataon'ny Fanjakana, nefa moa tsy aleo ve samy manana ny pitipitiny aby ;) ? (2) tsy hisy drafitra maty paika na tondrozotram-pampandrosoana ny firenena fa fampandehanan-draharaha fotsiny no hatao, noho izany, mety ho tafiditra ho fanapahan-kevitra ny tsy handraisana ny vovonana roa (Afrikana sy mpiteny na mampiasa ny teny frantsay) izay tsy zakan'ny mpanohitra mihitsy ny mihaino azy fa heveriny ho tsy misy dikany velively ireo.(3) Tsy nikatso tanteraka akory ny toe-draharaha teto (fa fanapotehina no tena nisy) ary raha tadiavina ny hisian'ny fanekena ny fivondronambe iraisam-pirenena dia tsy maintsy izay mifanaraka amin'ny Lalampanorenena efa natsidik'izy ireo ihany no vahaolana raisina voalohany toy ny fandravana ny antenimieram-pirenena sy fifidianana depiote vaovao. Eo vao hita mazava ny misy ny maro an'isa; ka eo no ivoahan'ny olona na antoko na fikambanana hitondra sy manana ny ampahany maro ao amin'ny governemanta, ary tsy ilàna ny fanalana ny filoham-pirenena na oviana na oviana izany hatreto. Tsy ilaina tenenina akory izany hoe goernemanta fampihavanam-pirenena sy ny karazany izany, fa ireny hatrany no mampisy ny zavatra sadasada tsy hampandroso an'i Madagasikara na oviana na oviana. Ny Fampanajana hatrany ny rafitra demaokratika nefa hametrahana tsikelikely ny fivoarana no antony tsy ilana ny tetezamita ao anatin'izany rehetra izany.

Ity misy tranga iray, any ambanivohitray (miala tsiny kosa aloha tsy hilaza ny toerana) eto amin'ny faripiadidian 'Antananarivo, dia anisan'ny kaominina nahazoan-d Ravalomanana Marc ampaham-bato kely indrindra tamin'ny 2006. Ny mahavariana amin'ny resaka ataon'ireo olona any ka miresaka dia samy nisento avokoa rehefa tsy voaongana ny filoha tamin'ny andron'ny alakamisy nanafihana minisitera iny. "Rehafa tsy nahala azy tamin'iny dia tsy hahala azy intsony!", hoy ny ambentin-dresak'izay ireo. Olona tsy mety hiakatra an'Antananarivo Renivohitra noho ny korontana amin'izao fotoana izao ireo nefa dia izay ny fomba fiheviny. Tsy mahalala sy tsy te-hahalala izay dinika nisy teo ry zareo amin'ny ankapobeny. Tsy fantatro izay any amin'ny kaominina hafa any ambanivohitra any, nefa tsy azo itarafana ny tontolo ambanivohitra ankapobeny velively io voalazako io na dia nampieritreritra ihany aza.

Fa hiverina amin'ny resaka ihany aho. Efa nambarako tany an-kafa ihany koa fa tokony ho karazana fihaonam-bem-pirenena ihany koa no takian'i Andry Rajoelina mba tsy hahatsiaro ho voailikilika ny hafa. Mety ho hitan'ny sasany angamba izay hevitro izay ka nahatonga ny antson'ny filoham-pirenena hitodika amin'ny antoko politika sy hiantso izay rehetra vonona amin'ny fampandrosoana ny firenena amin'izy ireo. Toa tsy te-hamaly izany anefa ny antoko hafa fa toa izao fitakiana hanalana ny filoha sy ny tetezamita ary hamotsorana an'i Jean Theodore Ranjivason ihany no takiana. Tsy nahay nanararaotra indray ve ny antoko hafa teto? Heveriko anefa fa hafatra ankolaka tian-kampitaina amin'i Andry sy ny hafa io nitazonana an-dRajivason io fa dia tsy haiko foana raha mahazo resaka na tsia ny hafa. Mialoha ny farany: Heveriko fa ninia ny tsy hanatrika ilay fihaonana androany ny filoha ilazana fa tsy hidinika resaka tetezamita na oviana na oviana izy, raha vao izay no lohahevitra eo!

Farany: nampieritreritra tokoa ny niantsoan'ny Arshevekan'Antananarivo ny miaramila hiaro ny olona sy ny fananany araka ny sata ijoroany. Efa nahatsinjo zavatra sahady ve izy manao izany? Efa nanapaka rahateo i Andry fa ho tapaka hatreo ny fifampidinihana. Hiditra amin'ny fanaintainana andininy faharoa amin'izay ary ve isika sa hisambotra izay rehetra mandika lalàna amin'izay ny mpitandro ny filaminana rehetra? Efa hafatra mipetraka ihany koa manko ny famoriana ny mpitandro ny filaminana tany Toamasina sy tany Mahajanga ireny. Tena rediredy koa izany vitako androany izany!




jentilisa 25 febroary 2009

Mazava ny teny malagasy: Atsahatra!

2009-02-23 @ 10:47 in Politika

Manahirana ny miresaka indraindray fa misy indray ny mandrirotra ny teny ho any amin'ny tsy nosoratana. Mazava ny teny malagasy fandrao mbola misy ihany ny tsy mahalala na mody tsy mahalala. Ny tena manahirana dia ny ankamaroan'ny mpampita vaovao tokony hitaiza ny vahoaka hahay handinika indrindra indray no manasaritaka. Nahavariana mihitsy ny filazan'ny ankamaroan'ny gazety mino kokoa ny tenin'ny iray tamin'ny nifanaraka fa minia mikimpy eo anatrehan'ny voasoratra. Izay tokoa angaha no maha-Malagasy ny Malagasy... tsy miraharaha izay mipetraka an-taratasy fa mino mandrakariva ny tenin'olona. Tsy hatao hahagaga loatra raha handika ny fifanarahana ny iray na ny roa tonta rehefa avy eo "satria tsy nosoniaviny" io.

Noraisina mihitsy ny Rakibolana Malagasy teo ambany fitarihan'i Régis Rajemisa - Raolison navoaka tany Fianarantsoa tamin'ny 1985 © Ambozontany Fianarantsoa dia ao amin'ny takelaka faha-124 no ahitana ny fanazavana ny teny hoe "Atsahatra" izay midika toy izao: "Ajanona, faranana tsy asiana tohiny intsony...". Tsy midika velively io hoe "Aato":"Ajanona kely fa tsy tohizana; tapahina: naato ny fivoriana mba hahafahana mifanakalo hevitra". Fanontaniana: Voafandrika ve ny avy amin'ny mpitolona raha nanaiky ny teny fa indrindra soratra hoe "atsahatra"? Tsy tokony hisy intsony ny fifanazavana maharitra tahaka izay atao amin'ny gazety tahaka ny mbola te-hahita gidraka handafosana gidraka sy ny radio te-handamina ny olony angaha no marina kokoa... Averimberina mandrakariva sy atao lohateny lehibe manko ny hoe "fampiatoana" no natao.

Ny irariana dia mba ho tontosa hatramin'ny farany ny resaka ary hilamina amin'izay ny firenena. Izaho manokana dia sarotra dia sarotra ho ahy ny hivoahana tetezamita amin'ity resaka ity. Amiko manokana manko dia ny filoha Ravalomanana no nanana ny tombony kokoa. Mihevitra aho fa ninia hametraka ny fotoana ho amin'ny 1 ora tolakandro ny FFKM hanajanonana ny diabe kasaina hotontosaina izay tsy fantatra hoe ho aiza no aleha... tombatombana avokoa ny resaka najorony rehetra tahaka ny hoe any Iavoloha, Ivato (Sheraton na 5 etoiles araka ny fahalalan'ny maro azy na seranam-piaramanidina iraisam-pirenena), Betongolo, Soanierana (toby misy ny fitobian'ny fitaovam-piadiana eto Madagasikara), Ambohimanambola (ity tsy haiko na ny foiben'ny jirama na inona loatra... tsy azoko). Fahafaham-baraka ho an'ny filoha fotsiny no nokendrena hanaovana ilay diabe izay tsy tontosa. Ny an'i Andry Rajoelina kosa indray, ny tombony ho azy amin'ity fiandoham-pifanarahana ity dia ny tsy hisamborana azy... (efa mazava hatry ny ela io na dia betsaka aza ny mitaky izany) ary tsy hisy ny arakaraka. Fomba fijeriko fotsiny izany fa tsy voatery ho izay tsy akory no tena marina. Ny lalana tsotra indrindra raha ilaina dia ny handravana ny antenimiera sy hisian'ny fifidianana depiote vaovao ka raha mandresy ny mpanohitra dia mandeha izany ny "cohabitation" fa tsy midika fanesorana ny filoha velively izany (ho diso fanantenana ihany koa izay mihevitra filoha hiala eo).




Jentilisa 23 febroary 2009

Tranon'ny minisitera Anosy: Tena vaky trano ofisialy izy ity!

2009-02-19 @ 21:42 in Politika

Faly dia faly aoka izany tahaka ny efa nahaongana fanjakana ireny ny mpanohana ny TGV ary nalahelo sy nitroatra tamin'ny fialan'ny mpitandro filaminana nihemotra fotsiny tsy nisy fifampikasihana (izany hoe tsy nisy fifanosehana velively) eo amin'ny roa tonta akory ny tsy mankasitraka ny fanjakazakan'ny governemanta an-dalambe. Mivandravandra manko fa tsy nampiasa na inona na inona tamin'ny fitaovana eny ampelatanany ny mpitandro ny filaminana; lany bala ve sa inona? Mazava loatra fa baiko no noraisiny dia tanterahiny, na misy tetika ambadika ao na misy fifanarahana miafina tsy takatry ny sain'ny sarambambem-bahoaka toa anay. Maro noho izany tamin'ny mpanohana ny fitondrana ara-dalàna no tsy te hipetrapetra-potsiny amin'izao toe-javatra mahasorena azy izao. Hoy kosa anefa aho, izay efa fantatrareo mpamaky ihany ny fironan-kevitro, hoe aza misioka fa mbola tsy tafavoaka ny ala!

Raha jerena amin'izao fotsiny eo amin'ny toe-tsaim-panohanana olona iray dia mahery eo amin'ny saikolojia (psychology) amin'izao fotoana anoratana izao ny TGV, nefa azoko lazaina fa voafandrika soa amantsara ry zareo. Alahatro tsikelikely ny hevitro: Tsy nikasi-tanana mpitolona politika mihitsy teto Antananarivo (tsy miresaka faritra hafa aho eto) ny mpitandro ny filaminana. Eo amin'ny fomba fijeriko raha vao mahita izany ireo mpanao gazety vahiny mety ho nijery ny toe-draharaha teo Anosy androany dia ho gaga ka hanao hoe toa mitady ho tsara noho ny any aminay izy ity lehiretsy! Ny any amin'ny tany tandrefana aza raha tafahoatra ny ora ijanonanao eo amin'ny arabe, nefa ianao tsy betsaka manao ahoana no manelingelina ny fifamoivoizana dia azon'ny mpitandro ny filaminana tsara ny manala anao, na misintona anao, tsy misy mahazo midaroka ny roa tonta mandritra izany fotoana izany (fomba fijeriko tsy mbola nivoaka an'i Madagasikara sady tsy mieritreritra ny hiala eto velively izany). vokany, tsy nisy ny ra mandriaka izay mety ho notadiavina teto...

Manaraka izany, tsy nahita mpanao gazety vahiny nanaraka ny nataon-dry zareo tamin'ny famakiana trano izay ho avy intsony aho. Raha mba teo manko ry zareo nanatrika mivantana ny zavatra manaraka taorian'ny nialan'ny mpitandro ny filaminana tsy hifanandrina amina andian'olona mety ho nivandravandra tamin'ireo Malagasy nitodika tany aminy ny hivikivin-doha mety ho nataon-dry zareo vahiny ireo. Ataoko fa fahadisoan-kevitra mihoam-pampana ihany ny nitondra olona ampolony maro, indrindra ny mpanao gazety malagasy, hijery sy hitantara mivantana ny vakintrano izay hotontosaina, nefa izay moa no lalànan'ny mangarahara sady tahaka ny azo atao daholo ihany ny zavatra rehetra, eny fa na mangalatra aza, rehefa atao mangarahara tahaka izao. Ho porofo mitohoka amin'ny tendany daholo anefa ireo sary sy lahatsary ho hitan'ny besinimaro rehefa avy izay andro iray izay, satria mbola sarotra ny hiampanga olona mitonotonona ho izao na izatsy fa ilaina ho hita mihitsy ny zavatra nataony tamin'ny fikasana tao anatiny.

Fahatelo, nilalao ora ihany koa ny "mpanara-dalàna" nampivezivezy ny olona manofinofy hipetraka eo amin'ny sezan'ny minisitra sy alain'ny mpanao gazety sary eo ambonin'izany seza izany fa mety tsy ho tsapan'ny ao amin'ny governemanta an-dalambe izany. Fantatsika fa tao amin'ny minisiteran'ny filaminana anatiny sy ny minisiteran'ny atitany no nidiran'ny governemanta an-dalambe voalohany, narahin'ny mpanao gazety, sy izay mety ho mpanarakaraka fotsiny eny. Raha nojerena tety ivelany dia tahaka ny tsy misy miasa tao, nefa dia saiky tao amin'ny biraony avokoa ny mpiasa rehetra tao amin'ireo minisitera ireo, mbola ora fiasana ara-dalàna manko tamin'izany ora izany satria nialoha ny tamin'ny dimy ora (tokony ho tamin'ny efatra ora aza no nirava ny mpiasa amin'ireny toerana ireny araka ny fahalalako azy), entin'ny fitondrana ara-dalàna izany hanaovana tatitra rehefa tonga ny fotoana fa "mihodina soa aman-tsara mashinina" no tonga ireto olona ireto. Izany hoe eo amin'ny fomba fijery dia tsy ny avy amin'ny tetezamita velively no nibaiko ireo mpiasa ireo niasa teo tamin'ny ora fidirany ka toy ny manelingelina indray aza ny nidirany raha azo noheverina.

Mialoha ny hidirana ny tranon'ny minisitera anefa dia nihidy cadenas ny vavahady fidirana tamin'ny tranon'ny minisitera. Nolazaina fa haka vadintany ry zareo, fotoana maharitra mihitsy ny niandrasana ireo "vadintany" mirahalahy mianaka. olona nitondra fitaovana famakian-trano ireto nolazaina ho "vadintany" ireto. Nisy ny nangataka ny taratasin'ireto vadintany ireto saingy ny valin'izany fangatahana izany dia hoe: "tsy hamaky trano izahay fa hitsidika ny toerana fotsiny". Mazava loatra ihany koa anefa fa tsy maintsy misy ny taratasy avy amin'ny Fitsarana vao mifanaraka amin'ny lalàna ny famakian-trano atao, ny ivelan'izany moa ary izany ny tranga eto, efa tsy ara-dalàna mazava loatra ka mitovy amin'ny halatra ihany. Firy sahady izany ny fahadisoana vitan-dry zalahy? miditra trano tsy nahazo alalana izany ry zareo (ary tahaka izany na dia ny tamin'ny 1991 ireny aza) fa am-pilaminana araka ny filazan-dry zareo moa izany. Tsy nisy nampandroso ry zareo ary tsy manana fahefana handroso fa notanterahiny ihany.

Tonga teny amin'ny varavarana indray, indrindra fa teo amin'ny varavaran'efi-trano fiasan'ny minisitra dia naseho ny besinimaro tamin'ny alalan'ny fahitalavitra izany atao hoe famakian-trano. Tena nikatrokatroka tokoa moa ny maritoa sy ny pinces... mampahatsiahy ny fomba famakiana ny tranombarotra sy ny tranom-panjakana tamin'ny 26 sy 27 janoary 2009 mihitsy ry zareo a! fa ny eto moa ny tranon'ny minisitera sy ny varavaran'ny biraon'ny minisitra no vakiana. Dia ahoana izany no hitranga rehefa niala teo izy ireo? navela nidanadana fotsiny ve ny varavarana sa mba nisy fombany moa ny fanidiana ireny varavarana ireny? Tsy nisy nitatitra ny tamin'iny. Raha tena vadintany tokoa no nanao ny asa dia nohamarinina an-taratasy avokoa ny fitaovana rehetra mialoha ny hidiran'ny hafa nampandrosoin'ny tompontrano saingy inona moa no nitranga? Vao nivoha ny varavarana dia nibosesika avokoa ny rehetra tsy nisy anavahana. Mazava loatra fa tsy fantatra intsony izay mety ho fitaovana na zavatra rehetra nisy nitsaika tany anatin'ireny birao nibosesehan'olo-tsy fantatra maro ireny, efa karazana fandrobana sahady ihany no natao noho izany. Heloka hafa miandry koa izany amin'ny fotoanany. Ny fanalana ny sarin'ny filoha Ravalomanana teo amin'ny toerany moa manginy fotsiny.

Fahadisoana hafa ihany koa no vita tamin'ny minisitera roa ambiny satria efa nihoatra ny ora fiasana no nidirana tamin'ireo birao ireo. Efa dify manko ny tamin'ny enina ora. Moa tsy ireny mpangalatra ireny mihitsy nefa dia notanterahina ihany ny hiditra tamin'ireo toerana roa ireo. Nahoana hoy ianao? ka vao omaly ny omaly aho no nanoratra ny hoe "et un! et deux! et trois zéro!" e. Dia aleo mba atao hoe telo sy efatra izany ny baolina na baolina nenti-tanana aza ny nampidirana ilay baolina fandaka ary ny roa tamin'ireo aza baolina nampidirina ivelan'ny ora ara-dalàna. Ary ny tena nahavariana tamin'ity andro hariva ity, rehefa nahavaky minisitera efatra ry zalahy androany dia tsy nisy ny fandrobana sy ny vakitrano nihatra amin'ny sarambambem-bahoaka. Kisendrasendra sa? ka efa mody faly ry zalahy fa tsy nody kivy na tezitra tsinona koa. (leitia koa efa resy mbola bevava ihany!)




jentilisa, 19 janoary 2009

Tranga niainana tao anatin'ny andro vitsivitsy

2009-02-18 @ 22:18 in Politika

Filazana voalohany, ity bolongana ity dia tena mitongilana tokoa sady efa fantatrao ihany ny firehany koa mba tsy hankarary ny fonao izay tsy mitovy firehan-kevitra aminy dia tsaratsara kokoa tsy mamaky izay voasoratra ato ho fitaizana ny fonao tsy harary. Fantatro ny zavatra niainako manokana ka mahatonga ahy tsy hipetrapetra-potsiny, raha nitady ny hanginako ireo nigafigafy niantsoantso finday tsy miteny amin'ny alina dia diso hevitra izy ireo; soa ihany aloha fa efa nitsahatra izany amin'izao fotoana izao.

Filazana faharoa: Raha miteny pro-TGV sy pro-TIM aho eto dia tsy mampiditra ny mpitarika ao amin'ireo vondrona roa ireo fa milaza kosa ny ataon'ny sasany amin'ny mpanohana ny andaniny sy ny ankilany sy izay mety ho toe-tsaina tsirairay avy ao anatiny ao. NOho izany azo lazaina ho diso ny fieritreretana fa baiko avy amin'ny mpitarikany tsirairay avy ny mety ho hadalana ataon'ny avy amin'ny andaniny sy ny ankilany amin'ireo mafana fo.

Ary fahatelo: na dia misimisy ihany aza ny sary dia tsy afa-manome fahafaham-po anareo aho satria mihamaisatra noho ny fitomboan'ny olona eto Madagasikara mijery aterineto angamba ny serasera ka mandany vola sy fotoana tokoa ny mametraka azy, indrindra fa bebe ihany ny adidy atrehina. Manaraka izany dia mahafinaritra tokoa ny fitantaran'i Avylavitra ny toe-javatra mety mahaliana antsika ka jereo etsy amin'ny rohy etsy anila ny hoe "Gazety Avy Lavitra", tsoriko fa mendri-piderana tokoa ny fitantarany indrindra fa ilay tamin'ny alatsinainy 16 febroary 2009 iny.


Asabotsy 14 febroary 2009

Hanomboka kely ny tamin'ny asabotsy ary aho, Asabotsy samy namory olona ny roa tonta. Tsy teny amin'ny kianjan'ny 13 mey aho ny maraina ary tsy nieritreritra ny ho eny velively. Efa fantatrareo ho'aho ny fironan-kevitro! Tsia... na dia niomana ny handeha maraina aza aho hijery ny manodidina rehetra sy hanatrarana ireo mpizara vola efa malaza tao ho ao dia kamo ihany hiala ny trano fa dia niandry ny sakafo atoandro ho vita mihitsy. Lany ny hanina vao iny namonjy fiara fitaterana! Nandray ny fiara 119 (e! ela indray aho tsy nandeha 119 ry ireto a!)... Tonga teo Mahamasina fa tsy niala, iza koa no hiala eo? Nojerena ny manodidina (ny manoloana ny kianjaben'ny Mahamasina no marina kokoa) fa tsy nisy fiara mitandahatra loatra. Gaga ihany aho, ndry! matahotra ny ho voaroba fiara ve sa vitsy olona ao amin'ny kianja ao? Tany Ambohijatovo aho vao niala. Ny sofina amin'io misy fihainoana radio avy amin'ny finday Nokia kely mba ela niainana taty amiko taty... Mihaino VIVA.

Niakatra ho any Andohalo ka nananika an'Ambatovinaky, Tonga teo amin'ilay toerana fijerena baolina an'i Mahamasina fahakely. Efa andro mitataovovonana fa tsy nahafapo ahy ny hamaroan'ny olona nanatrika tao Mahamasina. Maro ihany fa tsy araka izay noeritreretiko. Toa tsy niova noho ny fitarafana azy tamin'ny alarobia izay nirotsaka orana aza. Dia lasa indray niakatra ho eny amin'ny lalan'andohalo manakaiky ny tranon'ny fanjakana nalaza taloha ho fitoeran'ny filohan'ny Antenimiera saingy tsy fantatro izy io na mbola izany izy io amin'izao fotoana na iza indray no monina ao. Tena tsy betsaka noho ny taloha raha ny hamaroan'ny olona e! angamba betsaka ny nieritreritra ny tsy handeha tamin'ny mpanohana azy, na ny mpanohana azy mihitsy no efa nihena. Mitaratra ny manodidina an'i Mahamasina aho fa tena tsy betsaka olona mivezivezy mihitsy manodidina e! Fa ny nahavariana ahy dia ity... Misimisy ihany ireo olona mijery hatrety an-tanàna ambony ety ary fantatra fa eny mihitsy no tiany andehanana. Hevitra ny ahy hoe tsy te-hiditra savorovoro anaty kianja ry zareo fandrao misy ny fifanafihana izay tena nahiana mihitsy tamin'io fotoana io.

Dia lasa aho aloha avy teo naka sary ny kianjan'Andohalo, sambany aho manko vao tafakatra teny hatramin'izay nahavitan'ny kianja nanaovana fanavaozana azy izay. Nijery izao malaza ho mariky ny "666" manodidina ny tsangambato izao: Hitako tokoa ireo tsanganam-by enina manoloana ny tsangambato nanambarana ny Repoblika Malagasy, dia hitako tsara koa ireo seza enina amin'ny ankavia sy ankavanan'ny tsangambato. Dia ireo enina intelo miverina voalaza ireo no nanome ilay isa 666 araka ny fomba fijery azy. Nampitahaiko tamin'ny sarin'ny kianjan'Andohalo teo aloha amin'izay dia hitako fa tokony ho tsy niova ny rafitry ny seza teo ankavia sy ankavanan'ny tsangambato fa naverina tamin'ny toetrany teo aloha fotsiny ny seza izay niendaka tamin'ireo sezavato ireo amin'ny lafiny mifanatrika amin'ny Lisean'Andohalo. Tsy mitombina amiko noho izany ny fanaratsiana sy ny filazana ilay "666", nefa samy manana ny fijeriny moa ny tsirairay. Nahavariana ihany manko ny nanaovana ny tsangamby manoloana ny tsangambato ho 6, nefa ny faritany 6 efa tsy tokony ho rafitra mihatra amin'izao fotoana izao intsony... nefa asa moa raha izay no takian'ny fanandroana... nefa dia ho tonga hatrany ve? Ireo tsangamby ireo ihany manko no tena ao napetraka tamin'ny fitantanan'i Andry Rajoelina an'Antananarivo.

Lafiny iray ihany koa, tsy tokony hitombina mihitsy raha araka ny fomban'ny fanatsarana endrika ny toerana ny nametrahana ny seza ho enina amin'ny ankavanana sy enina amin'ny ankavia, tokony ho dimy ihany ireo seza ireo fa ny iray (amin'ny ankavanana sy ny ankavia) dia tena isan-tseza mihoatra mihitsy ary tsy tokony ho amin'ny toerany velively. Tena hafahafa mihitsy ny fipetrany ka nahasarika ny saina sy mahatonga ny sasany ho velon'eritreritra hieritreritra fanandroana, sady fanampin'izany tsy noesorin'ny mpitantana ireo isan-tseza mihoatra ireo fa navelany na nohavaoziny soa aman-tsara.

Na dia azo lazaina ho tsara ihany aza anefa ny toerana amin'ny ankapobeny dia hitako ihany, fa na tsy mbola voafehy na natao kitoatoa ny rarivato tao amin'ity kianja ity satria maro sahady ny mitady hiandeka nefa ny nosoloina teo tena "beton" be mihitsy. Heveriko ho fahadisoana (ankoatra ilay tafo labasy izay fahadisoan-kevitra tanteraka ka nampianjera ny tafon'ny sehatra saiky natao ho an'ny mpihira gasy efa nolazaiko taloha ihany) ihany koa ny tsy fakana hevitra araka ny tokony ho izy tsara ny mpahay tantara. Raha mahatadidy isika dia nisy somary dongona avoavo izay teo amin'io kianjan'Andohalo io. Araka ny fiheverako azy matoa io tsy noesorina dia noho ny fiheverana fa teo no nipetrahan'ny tranoheva kely fikabarian'ny mpanjaka tamin'ny androny. Notrongisin'ny mpitantana tanteraka iny dongona iny ka rehefa nojereko tsara izay tokony ho toerany amin'izao fotoana izao dia lasa lalambe tsotra ilay izy fa tsy nasiana marika ahafantarana azy na ny toerana misy azy intsony... sa izay angamba no mariky ny fandrosoana? nefa toa manosihosy ny tantara lahy raha izany.

Vita indray izay fakana ny sarin'Andohalo izay dia lasa aho nidina nanaraka ny tohatoha-bato avy teo amin'ny Katediraly Andohalo iny. Mihaino mandrakariva ny radio viva hatrany aho mandritra izany fotoana izany satria nandeha manko ny kabary sy ny fanentanana samihafa nandritra izany fotoana izany. Tsy mbola tafidina tsara ny tohatoha-bato akory aho no vita ny kabarin'i Andry Rajoelina ka nampirisihina ny olona hody avy hatrany fa tsy hivilivily lalana, araka ny fahazoako ny tenin'ny mpanentana. Vao vita kely io kabarin'i Andry io no nanomboka kosa ny an'ny filoham-pirenena (ataoko hoe roa minitra teo ho eo izay elanelana izay) ka nihevitra mihitsy aho hoe nohenoin-dry zareo andaniny mihitsy angamba ny nolazain'ny ankilany vao hiteny izy. Ny Kabary tany amin'ny 13 mey rahateo famelezana ankitsirano ny Tiko sy ny 'halatra' mahatratra 1 200 miliara de francs (tena taraiky mihitsy ry zalahy izany fa tsy mahay ny sanda ariary... indrindra moa ny tena notendrena ho minisitry ny toe-karena). Toa mihodikodina teo amin'ny hoe hotazoniko ny fahefana sy hotandremako araka ny andriamaso ny fanajana ny Lalampanorenana fotsiny koa ny kabarin'ny Filoha... izaho amin'io fotoana io miezaka ny maka sary satria fantatro fa amin'ny fotoana ahavitan'ny filoha ny kabariny no hialan'ireto olona ireto ny kianja. Hita sy miandravandra kosa aloha fa mitafy madio sy milamina tsara ny 80%n'ny mpanatrika teto e!

Tsy dia ela loatra araka ny fiheverako azy ny kabarin'ny filoha nefa mba nisy minitra ampolony azo isaina ihany. Heveriko fa nikendry mihitsy i Mahamasina mba tsy hiara-mirava amin'i 13 mey, ary toy izany koa ny tany amin'ny kianjan'ny 13 mey niezaka ny hirava alohaloha kokoa rehefa nanentana mafana ny hakana ny minisitera ny alatsinainy ho avy io. Fijeriko izany dia niezaka ihany ny roa tonta hanao izay tsy hifanenan'ny mpanohana azy amin'ny andaniny avy. Saingy toa tsy izany loatra ny ao an-tsain'ny mpanohana sasany. Vao vita tokoa ny kabarin'ny filoha dia nody avy hatrany ny ankamaroan'ny mpanatrika, nefa izay vao tena hanomboka ny mpihira nantsoina hanentana araka ny fiheverako azy... nefa moa filazan'ny olona tratra aoriana ihany izany. Rehefa lasalasa ny olona dia hamonjy ny asa amin'izay aho. Ny mahafantatra ahy tsara dia mahalala tsara fa tsy maintsy handalo an'Analakely ihany izany hamonjy izany asako izany. Ho anao izay mahalala aoka tsy hiteny ary ianao izay tsy mahalala koa aza manontany fa tsy hamaly mihitsy aho. Mazava loatra fa hay mbola nisy mpanohana ny TGV handalo an'Anosy ihany koa, nifampiavaka avy hatrany ny roa tonta... samy naka ny ankavanan-dalany avy... nefa dia nifandrabiraby tamin'iny manamorona ny tambohon'ny sekoly St Michel iny. Ny etsy manangana ny ratsantanana roa moa ny ety manangana ny rantsan-tanana valo... dia nisy indray nanangan-drantsatanana roa ihany koa fa aondrika toy ny mitolefika iny raha ao manangana ny rantsan-tanany roa ny andaniny. Na ny nandeha an-tongotra na ny anaty fiara fitaterana samy manao izany daholo. Orahan'ny mpomba an-dRavalomanana ny fiara fitaterana avy any Analakely nefa vitsy olona (sy mpomba ny TGV ao anatiny) satria hipoka olona avokoa ny fiara fitaterana avy tany Mahamasina. Toy izany hatrany manaraka ny lalana hiakatra an'Ambohidahy.

Nahatsipalotra ny fifandrangitana angaha ireto mpanao gazety vahiny nandeha fiarakaretsaka fa nivoaka ny fiara avy hatrany raha vao nahita ny fihetsiky ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany. Misy ny tsy mahatanty (na araka ny fomba fiaina andavanandro ihany io) fa dia velona ny ompa an-tanana teo amin'ny sasany. Iny fa somary nitohatohana ny fandehan'ny fiara hiakatra an'Analakely na Ambohijatovo (mbola manoloana ny minisiteran'ny fahasalamana izahay amin'io fotoana io) ary rehefa somary akaikikaiky ny tonelina dia nolazain'ny mpitandro ny filaminana teo izahay handeha amin'ny sisiny tsara amin'ny fandehanan'ny mpandeha an-tongotra. Nisy mpitandro ny filaminana efatra nirongo basy avy tany amin'ny lalan'ny ivon-toeran-kolontsaina Amerikana taloha tany somary niteny ny mpanohana ny fitondrana ara-dalàna hangina kokoa fa mitabataba loatra... ireo misy mitady hanakorontana, hoy ny mpanohana an-dRavalomanana, hay saiky hobahanan'ny mpanohana ny TGV ny lalana tao amin'ny tonelina ka izay no nampikatso kely ny fifamoivoizana teo. Nosakanan'izy ireo hay ny fiara fitaterana iray, feno ny mpanohana ny fitondrana hiditra ny tonelina, Izaho tsy nijanona mihitsy sy tafara-dalana tsara tamin'ireto mpitandro ny filaminana mirongo basy ireto.

Vao nahatazana miaramila mirongo basy ny mpanohana ny TGV (nanao fehintanana lamba loko laoranjy avokoa izy ireo na lahy na vavy) dia nirifatra lavidavitra kokoa. Somary niato teo anoloan'ny tonelina ireo mpanohana ny TIM nefa hita ho nihamaro avy hatrany. Izaho kosa niara-dalana tamin'ny mpitandro ny filaminana ihany. Somary niafina tambadiky ny fiara tafajanona (tena saiky nisy gidraka hay izany teo!) avy any Ambohijatovo hay ny pro-TGV ka rehefa nahita ny miaramila (4) tsy niato tamin'ny diany mihitsy dia rifatra niala lavitra namonjy nankany Andohan'Analakely any... hay niantso namana tany amin'ny 13 mey tany. Ny pro-TIM kosa nanao akoralava ny "Marc Ravalomanana" vao nandroso tsikelikely... tsy maintsy handeha amin'ny lalany mody ry zareo fa tsy hoe hifampihantsy hanafika mpanao fihetsiketsehana etsy amin'ny kianjan'ny 13 mey. Indreny nisy mpanohana ny TGV vitsivitsy nankeo amin'ny miaramila efatra tafaraka tamiko teo, iretsy miaramila ny tena marina haka namana ao amin'ny toby miaramila 1°RM1 hanampy azy amin'ny fitandroana ny fandriampahalemana. Mazava loatra fa tsy nahita ny fivoahan'ny miaramila sy ny fanasarahana ny roa tonta saiky hifandona aho, fa tranga hafa mihitsy no hitako.

Rehefa tokony ho manoloana ny tahala Rarihasina indrindra aho (rené depui ho an'izay tsy mahalala afa-tsy ny anarany vazaha) no nisy nihoraka teo. Teny amin'ny arabe ny nandehanako ka nihazakazaka aho hijery izay zava-nitranga... tahaka ny hoe misy mpanakorotana sa inona tratran-dry zalahy ve? Hay mpanohana an-dRavalomanana iray nitondra sainam-pirenena fantatry ry zalahy avy hatrany (satria efa re tamin'ny radio nentanina hitondra sainam-pirenena izay mankeny Mahamasina). Nosintonin-dry zalahy, ka lasa nifampisintonana io sainam-pirenena io. Ny vehivavy maro manodidina teo nihorakoraka hoe "dory! dory!" (ny sainam-pirenena io). Fa namaly ilay mpanohana an-dRavalomanana hoe: "Sainam-pirenena ve no odoranareo? tsy an-dRavalomanana irery io fa antsika rehetra!". "Ento ho anay raha izany fa tokony ho anay ireny!",(mety ho avy amin'ilay horakoraka hoe "avereno ny volanay!" natao nandritra ny filazalazana fa tokony ananan'ny fanjakana vola mahatratra 240 miliara ariary ny vondrona tiko) sendra ny be noho ny vitsy aty amin'ny sisintanin'ny TGV ranamana ka tsy afa-manohitra firy. Nendahin'ny zalahy ny saina dia tsy haiko na navelany ho an'ilay mpanohana an-dRavalomanana ihany ilay saina na nalainy fa toa ny hazo hay no tena nalain'ilay besandry! tsy te-hanaraka ny tohiny intsony aho fa nanohy ny diako nandalo ny kianjan'ny 13 mey ihany.

Ny nivandravandra, ankoatra ny mety hoe fanohanana teo amin'ny andaniny sy ny ankilany, dia ny fahasamihafan-tsaranga teo amin'ny roa tonta. Ny avy amin'ny ambany tanàna no tena maro tamin'ireto mpanohana ny TGV mafana fo ireto, ka tsy manana foto-pisainana toy ny hafa mihitsy ry zareo mafana fo ireo, noho ny tsy fandalovana nianatra tany an-tsekoly ihany koa. Ireto angamba, hoy aho an'eritreritra, no nahazo tombony indrindra tamin'ilay tigetran-dRavalomanana hoe "hampanana izay tsy manana" tontosan'i Andry Rajoelina ny alatsinainy 26 sy talata 27 janoary 2009 iny. Tsy ny harenan'ny olona ihany manko no nahazo takaitra tamin'iny toe-draharaha mampalahelo iny fa ny toe-tsaina afa-manao bodongerona ny zavatr'olona mihitsy. Rehefa tena dinihina indray, ireto no tsy mivonona hofehezin'ny lalam-piaraha-monina velively fa irony mpanorisory ny vazaha sy izay tsaratsara fitafiana mandeha amin'iny Anosy Analakely Antaninarenina iny amin'ny fangatahana fa tsy hivonona ny hiasa velively, ary izany no hiheverany fa tokotaniny Analakely, ka raha azony natao ihany koa tsy misy fiara avelany miditra an'Analakely mihitsy. Fomba fijery ivelany ihany ny ahy na dia izany aza!

Rehefa teny amin'ny kianjan'ny 13 mey dia mahavariana ny hamaroan'ny olona mipetrapetraka sy mijorojoro eny. Efa ela ihany anefa ny naharavan'ny fotoana teny. Olona tsy mahalala hody ve sa tsy misy atao any an-trano sa efa nieritreritra fandrao dia tongavan'ny mpanohana ny TIM ny kianja ka aleo ambenana ihany aloha? Maro loatra raha tsy manao na inona na inona no antony ijanonana eny nefa ianao tsy hoe manao 'sit-in' tsy akory. Ny fivarotana rehetra rahateo efa tsy nivoha mihitsy nandritra ny andro ankoatra ny mpivarotra pizza    efa fanta-daza. Efa finiavana hanakatso ny fampandehanan-draharaha amin'ny ankapobeny mihitsy araka ny fijeriko azy na dia be ihany koa aza ny olona tsy resy lahatra amin'izany hoe hitokona izany. Azoko heverina fa nilamindamina ihany izany ity andro ity amin'ny ankapobeny. Ny hariva moa aho no nandre tamin'ny onjam-peo sy namaky tan-tserasera fa hay saiky nisy fifandonana teo Andohan'Analakely. Teo ampamakiana ny vaovao aho no nieritreritra avy hatrany fa azo sakanana eo amin'ny manoloana ny toby miaramila 1°RM1 Analakely io mazava tsara ny mpitokona amin'ny Alatsinainy satria azo heverina ihany fa eo no lala-tokana tsy maintsy andehanana ho any Anosy. Gaga amin'ny mpanohana ny TIM ihany aho hoe tsy azo natao ve izany ny karazana fibahanana hatreo amin'izay tsy ho afa-mandroso hankany Ambohidahy ny mpanao fihetsiketsehana, nefa mety ho nitsinjo ny tsy hisian'ny fifanandrinana mazava loatra ny mpitarika. Ny andro alahady indray moa no andro fialantsasatra amin'ny ankapobeny eo amin'ny fihetsiketsehana politika ka tsy misy na inona na inona hotantaraina ihany koa.


Alatsinainy 16 febroary 2009

Tonga ny andro malaza hanaovana ny fakana ny minisitera ary nieritreritra ny olona fa ho any Anosy izany ny dia. Miandry avokoa ny rehetra na ny andaniny na ny ankilany amin'izay toe-javatra hitranga. Rehefa amin'ny fotoana tahaka itony no tokony ho betsaka indrindra ny mpanao fihetsiketsehana satria maro amin'ny mpitolona ny tsy hanatrika fotoana hihaino kabary fa mba manana zavatra hatao ihany koa fa rehefa avy ny fotoan-dehibe dia indreny ry zareo mba tonga ihany koa. Vao nandeha ny kabary dia efa taratra avy hatrany fa misalasala indray ny mpitari-tolona amin'ny fitondrana ny vahoaka.Efa nisy niteny angamba ry zareo fa efa misimisy ihany ny mpanakorontana vonona ny hanao ny ataony anaty filaharana rehefa mandeha amin'izay handehanana ry zareo. Mety ho nisy ihany koa ny fizarazaran-kevitra tao anatiny tao tamin'ny teti-panorona hakana ny Minisitera. Taratra sy nahatezitra ny nanatrika, araka ny nihainoako azy tamin'ny radio ny fiovaovan-kevitra teo amin'ny mpanentana isan-karazany. Nampihorakora-pahatezerana ny olona izany fihetsika izany.

Nandray ny fanamafisam-peo ny Jeneraly Organès, hametraka ny fandaminana rehefa nikiry ny hiara-dalana amin'ny delegasiona ihany ny olony (efa tsy natokitoky izay hataon'ireto delegasiona ireto ve ny olona sa inona no antony?). Nolazaina amin'izay fa ny fiara mitondra ny 'sono' no mandeha voalohany indrindra, dia ny mpiandry avy eo ary ny vahoaka kosa milahatra tsifolofolo, tsy misy mahazo manao dia maika fa dia milamina. Nampitandremana fatratra ny olona fa efa misy ny olona hanakorontana. Tsy mahazo mihazakazaka fa manjary manome vahana ny mpanararaotra. Tsy tokony hisy olona ihany koa mialoha ny 'sono' sy ny mpiandry. Lasa nandeha miadana amin'izay ny rehetra. Be no tsy nanaraka ny fitsipika fa mbola nialoha sy fiara hatrany. Mahavariana ihany satria atao hoe mpijery izy ireo nefa dia mialoha sahady ny mpilahatra. Tonga teo amin'ny sakana voalohany amin'izay. Araka ilay noeritreretiko tsara amin'ny teti-panorona ny zava-nitranga satria teo anoloan'ny vavahadin'ny toby miaramila 1°RM1 Analakely. Fa teto dia efa nisy ihany koa ny nanana eritreritra hafa mihitsy. Marihina fa azo heverina ho ny antsasaky ny mpitokona ihany no nandeha fa ny ambiny kosa mbola nijanona teo amin'ny kianjan'ny 13 mey ihany nanao tazan-davitra tsy te-hiditra gidragidra na dia mpitolona ihany aza.

Nasaina nijanona nipetraka tokotokony ho manoloana ny fiangonana protestanta Analakely ny olona fa ny delegasiona no mandeha mitety ny tranon'ny Minisitera roa dia ilay trano misy ny "efitrano Rado" etsy Andohan'Analakely sy ny tranon'ny minisiteran'ny mponina eo Ambohijatovo izay mikantona avokoa. Teo no tonga tao an'eritreritra fa toa tsy niomana handray ireo tranona minisitera ireo akory ny governemanta an-dalambe fa fialana bala amin'ny mpanao fihetsiketsehana ilazana fa tsy misy ny vadintany hanokatra ny trano araka izay mifanaraka amin'ny lalàna. Manaraka izany toa tsy naheno minisitra an-dalambe ho amin'ireo sampan-draharaha roa ireo akory aho. Teo dia toa tapi-dalan-kaleha sahady ny mpitarika ny delegasiona. Dia hoy aho hoe maninona raha tonga dia mankany Anosy ary? Nefa rehefa dinihina sao dia miandry ela loatra ny olona... tsy dia mahandry loatra manko ny mpitolona tamin'ny ankapobeny ka sao manaonao foana eo.

Lasa ny fanaovana tatitra tany amin'ny mpanao fihetsiketsehana. Tsy nahafaly an-dry zalahy lohalaharana ny voalaza ka naharomotra azy ireo. Nentanina ny olona hiverina eny amin'ny kianjan'ny 13 mey aloha. Nisy ny tsy nanaiky na nanozongozona ny fiara. Voatery niala teo an-toerana ny mpitarika rehetra. Maromaro tamin'ny olona no niverin-dalana nankeny amin'ny kianjan'ny 13 mey. Tsy dia vitsy ihany koa ny mbola nijanona teny amin'ny manoloana ny "esplanade". Raikitra ny kitoratoraka miaramila. Vao nahita izany aho dia niverin-dalana avy hatrany satria fantatra avy hatrany fa tsy maintsy hamaly ihany ny miaramila nefa ny tena aty amin'ny lafiny misy ny mpitoratoraka indrindra. Inona tokoa fa teo amin'ny manoloana ny "Le Glacier" indrindra aho no nandeha ny baomba mandatsa-dranomaso voalohany. Hazakazaka ny an'ny olona niverina nankeny Analakely. Toa fotoana fohy fotsiny no nitatatatan'ny fiara nitondra ny 'sono' teo dia tsy re feo intsony avy eo.

Ny mpivarotra amoron-dalana kosa mitaintaina lava fandrao misy mihazakazaka avy any ka handrobaka ny enta-keliny. Ny maso any amin'ny misy ny mpanao fihetsiketsehana hatrany. Rehefa afaka fotoana fohy moa dia naleo niala mihitsy satria tsy misy olona hieritreritra hividy zavatra izany intsony. Nadio ho azy tsy nisy noroahina ny olona noho izany. Lasa indray aho nanketsy amin'iretsy mpitolona nijanona teny amin'ny kianjan'ny 13 mey. Hita ho misy mihazakazaka tampoka hatrany eo amin'ny manoloana ny foibe FLM sy foibe FJKM iny. Tarataratra avy hatrany fa mpanakorontana te-handroba avy hatrany izy ireo. Ny fijery an-dry zalahy koa moa mampiahiahy avy hatrany. Indreny ary fa misy ny mihazakazaka hakany amin'ny SICAM iny. Niolomay aho hijery izay hataon-dry zalahy ary efa niomana ny fakantsary. Io misy fiara 4X4 tondroin'ny anankiray havadika sy hodorana, saingy raha vao nisy boay iray nandà ity fihetsika mitady hatao tamin'ny "ô!ô!" fantatsika Malagasy dia lasa ry zalahy hifindra lasy nihazakazaka ho any Tsaralalàna any. Mitady toerana horobana izany ry zalahy ka izay tsy mahahetsika tsy mahavita fandavana dia mety ho lasany ny fananana. Izaho kosa nizotra moramora toy ny ho eny amin'ny "Francia" na ny tohatoha-baton'Antaninarenina.

Teo amin'ny fiolahana aho no nahita olona mivorivory tery ampita mifanila tamin'ny tahala rarihasina iny. Toa mikonokonona zavatra ry zalahy ka iny aho no nanatona teo. Hay io tokoa fa mikonokonona ny hamadika fiara (tsy ilay hita ao amin'ny gazety Avy lavitra fa eo akaiky eo mihitsy somary manakaiky rindrina kosa). Efa nisy anankiray niakatra teo amin'ny "capot" indrindra no natsangako avo ny fakantsariko sady nanao: "ô!ô!" ihany koa aho, fa tonga dia nisy nibaiko ahy hoe: "aza maka sary!". Naidiko ny sandriko sady nakatoko ny fakantsary, dia niteny aho hoe :" fa tsy mety ny manaiky hisian'ny fanimbana zavatr'olona kosa! ajanony fa tsy mety izao!". Efa misimisy ihany ny manodidina ahy, nefa aho toa sahy loatra, nivonona hiatrika sy hifanazava amin-dry zalahy ihany aho na dia izany aza. Kanjo nisy fifanosehana tampoka indray teo akaiky teo izay heveriko fa fihetsika hanalana ahy tsy ho voaodidin'ireto antokon'olona ireto. Tafahataka avy hatrany aho ary zarako aza izany. Lasa aho nandroso hanakaiky ny ery amin'ny lohalaharana indray! efa niditra tany anaty toby ny miaramila. Niantso ny hafa handeha hankeny anoloan'ny toby ry zalahy saingy tsy nisy nety nankeny ny ambiny, satria efa re ihany fa hikabary eny amin'ny kianjan'ny 13 indray i Andry Rajoelina ka hetsika hafa mihitsy ny an-dry zalahy ireto.

Lasa indray aho nidina nankeny amin'ny kianjan'ny 13 mey. Niandry ny tohin'ny raharaha. Tonga tokoa ingahy Ben'ny tanàna voaongana Andry Rajoelina miaraka amin'ireo mpiara-miasa aminy maromaro. Ora iray talohan'io anefa no nesorina teo ny tranoheva fikabariana. Roa izany ny antony mety ho nampiverina azy teny amin'ny kianjan'ny 13 mey tamin'ity andron'ny alatsinainy ity. Voalohany, mety ho tsapany tsara ny fahadisoam-panantenan'ny olona tamin'ny tsy nahavakisana ny barazy voalohany. Raha hitsakotsako ny fandehan'ny raharaha sy ny fifamaliana teo amin'ny mpitarika sy ny tarihina mandritra ny alina manko ny tsirairay amin'ny mpitolona ho be ny hahatsiaro ho voafitaka tanteraka ka hihemotra tsy hitolona intsony. Noho izany, tsara kokoa ny miresaka amin'ireto olona ireto dieny mialoha sy mampahery azy amin'ny fampahatsiahivana fa ny fanalana an-dRavalomanana no tena tanjona. Io no banjinina, ary andro sisa no isaina dia hiala io araka ny fitenenany ny filoham-pirenena. Etsy ankilan'izay, mety niantso ny mpitarika ny TGV ny mpifehy ny Emmonat tao amin'ny 1°RM1 hanala ireo olony izay manao fahirano sy mitoratoraka ny toby ary mitady ny handoro azy amin'ny alalan'ny etona fandrehitra ihany koa aza. Tsapa ihany manko fa tena mihoatra ny loha ny ataon'ireto mpitoratoraka ireto, tahaka ny dia efa tsy misy dikany intsony ny tafi-bahoaka. Fanararaotran'i Andry ny fotoana ilazana fa tsy olony fa vondron'olona mpanakorontana ireny mitoratoraka eny ananonanona ireny. Nolazainy amin'izay ny mpitolona madio fo hody avy hatrany fa tsy hijanonjanona na hitaredretra intsony. Dia nisy tokoa ny nody fa nisy kosa ny mbola nihazohazo teo.

Tokony ho dimy minitra avy eo dia indreny ny miaramila (efa manakaiky ny amin'ny enina ora hariva), nivoaka niaraka amin'ny basy sy bala fotsy hitifitifitra izay mitady handroba sy manadrohadro sy manambany ireto mpitandro ny filaminana ireto. Niainga hatrany amin'ny toby miaramila ry zareo. Nanala ireo olona rehetra mbola nivorivory teo tamin'ny kianjan'ny 13 mey rehetra, nanala ihany koa ireo niafinafina nanerana an'Ambodifilao sy Tsaralalàna. Tsy nisy tafavoaka ny birao izay rehetra mbola tany amin'ny biraony tany. Nandeha hatrany Antanimena sy Andraharo nifanenjika tamin'ny mpandroba sy ny tsy misy atao tsy fantatra anton'asa ny mpitandro ny filaminana. Nisy maromaro aza ireo nitsofoka tany amin'ny tsenan'ny Pochard, nefa raha vao nahita ny vavahady nivoha ny mpitandro ny filaminana dia nibaiko hoe : "Hidio io!" Nivoaka tsimoramora daholo ireo niafina tao fa tsy te-ho voahidy. Feom-basy no tena nakotrokotroka nanerana ny tanàna, nangina tampoka teo ny tabataba kelin'ny olona an-dalana. Ny mpiasa tsy tafody kosa, miantso ny any an-tranony avy milaza fa tsy misy maninona nefa tsy afa-mivoaka ny birao aloha, ireo izay lany fahana moa mindrana na manofa amin'ny namana mpiara-miasa aminy... Tsy maintsy hisy ihany manko ny fotoana hivoahana ny birao fa manantena ny tsy hatory any kosa. Tamin'ny fito ora latsaka fahefany alina izany vao tontosa.

Indreny nivoaka tsikelikely amin'izay ny mpiasa tratran'ny alina tany am-birao tao aminay sy teo amin'ny manodidina anay. Indreny fa mivoaka ny fiara, mifanesisesy hivoaka ny fiantsonana ary mamonjy ny fodiany avy. Izahay indray moa roa no miara-dalana tamin'ity indray mandeha ity. Notadiavina ny fiarakaretsaka raha mbola azo atao fa sarotra ihany ny hahita izany amin'izao alina izao. Izaho saiky hanatitra ity namana mpiara-miasa amiko ity saingy toa hafahafa ihany ny teny alohaloha teny, nanaraka iny petite vitesse izany tranga mampanahinahy izany, nisy lehilahy iray aza niverin-dalana fotsiny hikaroka lalan-kafa satria toa voabahana tanteraka ny lalana. Niditra an'i Tsaralalàna hatreo amin'ny paositra izahay ary nanaraka iny Bourdon Voyage iny ary hamonjy ny pharmacie, hitady fiarakaretsaka fotsiny izany ary dia nahavariana fa tena nisy iray tokoa teo ampitan'ny pharmacie. Mbola misy ihany, ho'aho ny mahasahy miasa amin'ny vanim-potoana sahala amin'izao. Telo izany izahay no tafara-dalana niara-nandray fiarakaretsaka dia izahay mianadahy ilay namana iray niverin-dalana noho ny 'fahatapahan'ny lalana saiky odiany'. Niakatra an'Ampasamadinika ny lalana dia hidina an'Anosy... samy tonga soa aman-tsara tany amin'ny trano misy anay avy ihany izahay fa tsy nisy naninona. Nahavariana tokoa, ary efa nisy nahatsikaritra fa toy ny milamina ery ny fiainana vao manomboka eny Ampefiloha sy Andavamamba ary 67ha sy Ambodin'isotry ary Antsalovana nandalovana. 1 noho ny 0 aloha izany ny baolina.


Talata 17 febroary 2009

Tsy maintsy novana indray ny tetika, satria moa tsy vaky ny barazy tetsy andohan'Analakely dia novaina indray ny lalana. Hita fa nihena koa ny olona mpanaraka ny TGV tetsy amin'ny kianjan'ny 13 mey ka aleo any amin'ny lalana be olona indray ny dia. Nieritreritra ihany aho hoe sarotra izany dia izany satria any amin'ny lalana be mpivarotra no aleha. Ny tena mampanahy anefa dia ny vakitrano mety hitranga tampoka teny an-dalana teny, nampirin'entana tsy niala teny an-toerana ny mpivarotra nandalovana rehetra. Nieritreritra ny hifaoka ny jiolahim-boto mpijorojoro teny an-dalana koa angamba ry zalahy ka tsy fantatra na nahomby ny tetika na tsia. Niadana dia niadana ny famindra hialana amin'ny mety ho fanararaotana tampoka mitranga eny ho eny. Ela ny ela tonga teo anoloan'ny Cnaps sy anilan'ny Fiaro ihany ny mpilahatra ary teo no voasakan'ny barazy voalohany (kianja Ho Chi Minh) . Mandeha hatrany ny fifampidinihana teo amin'ny solontenan'ny mpitondra an-dalambe sy ny mpitandro ny filaminana izay tsy mandefitra manana ny marina mihitsy. Nisy aza ny fotoana tezitra mihitsy ry zalahy mpitarika an-dalambe, ary teo no niala avy any Minisitry ny fiarovana avy amin'ny governemanta ara-dalàna. Nandeha ny resaka sy fifanazavana fa ny tena asongadiko dia ny tenin'ny minisitry ny fiarovana amin'ny tokony hanaovana ny fifanarahana tahaka ny tamin'ny 31 oktobra 1991 saingy toa tsy nasian'ny avy eny an-dalambe resaka mihitsy.

Nisara-maina indray ny roa tonta tamin'ity indray mitoraka ity, na raha amin'ny fomba fijeriko dia nandresy indray ny mpitandro ny filaminana  satria tsy vaky ihany ny sakana. Lasa iretsy mpitari-tolona nampita ny resaka tamin'ireo mpanaraka azy ka nilazany fa efa manakaiky ny fandresena. Ka hotohizana eo amin'ny kianja Ho Chi Minh ihany ny tolona ny ampitso manomboka amin'ny sivy ora maraina. Fomba ialana amin'ny sakana dia nataony hifamotoana eo amin'ny toerana tsy mahazatra loatra ny mpitolona eo aminy. Toa fahasahisahiam-poana izany satria tsy fantatra loatra hoe aiza no hipetraka ary ny mpitolona? aiza no tena iandrasana azy ireo? Toa niniana ilay izy fandrao mba manakorontana ireo mpivarotra manodidina ihany ny fahatongavan'ny jiolahim-boto mety ho avy indray. Izay toe-javatra izay moa vao maika mandresy lahatra ny tsy tia ity fihetsiketsehana ity satria tahaka ny hoe fanakorontanana ny lalana fotsiny no tena tadiaviny fa na ny olona entiny aza efa mihena am-pitoerana ihany. Na dia efa niala aza moa ny mpitarika dia indreo indray fa tsy mety miala indray ny olona tarihiny. Tsy maintsy noroahina tamin'ny alalan'ny fandrahonana indray ry zalahy ka tonga hatrany amin'ny rond-point Isotry mihitsy nandroahana azy ireo. Nadiodio tampoka ny tsenan'Isotry rehetra iny. 2 noho ny 0 indray ny baolina.


Alarobia 18 febroary 2009

Tonga ihany ny mpanaraka an'i Andry Rajoelina fa izy sy ny "praiminisitrany" kosa tsy hita fa niala sasatra angamba. Ny namany kosa navelany hitanin'andro nandritra ny ora maromaro teo amin'ny kianja Ho Chi Minh ihany. Ny fantatra moa dia tapaka tanteraka ny fifamoivoizana. Io dia mahavariana ahy. Raha manao ny toy itony ny any ivelany any araka ny fahalalako azy dia mba misy fetrany ihany ny fanaovana izany fa mety hampigadra kosa ny fihoarana tahaka izao. Ny fijeriko dia tokony ho azon'ny mpitandro ny filaminana ary ao anatin'ny zony ny manaisotra ireo mibahana ny arabe ireo, indrindra fa tsy dia misy lalana hafa azo iodinana loatra eo amin'ny manodidina eo. Fatra-pandefitra eo anatrehan'ny mpanao bodongerona matetika loatra koa moa ny mpanara-dalàna amin'ny ankapobeny. Manaraka izany, hita potika tanteraka ihany koa ny hakanton'ny zaridaina teto amin'ity faritra ity sy ny halenodenoky ny ahitra mahafinaritra teto. Tena famotehina mivantana no ataon'ireto olona ireto ka manahy aho fa mety ho avy indray koa ny fandoroana ny tsenan'Anosibe izay tena reharehan-dRavalomanana amin'ny ambany tanàna raha izao fandehan-javatra izao no mitohy sanatriavina.

Ny nanaitra ihany koa, ary naverimberin'ny mpanao gazetin'ny Antsiva izany, dia tsy tian'ny avy ao amin'ny governemanta an-dalambe loatra intsony ny hanaovana ny resaka sy ny fifampiraharahana eo anatrehan'ny mpanao gazety. Niakatrakatra mihitsy moa ny maro amin'ny mpanao gazety tratran'izao fanilikilihana izao. Manahy ve ry zareo fa ho tratra amin'ny lainga hafafiny amin'ny mpanaraka azy? Mazava loatra fa tsy nandresy lahatra loatra ny maro ilay filazana nataon'ny mpiara-nanorina ny madagate lasa minisitra an-dalambe manao hoe hiaraka hitolona amin'ny "vahoaka" ihany koa ny vadi-miaramila sy vadi-zandary ary ny vadi-polisy rahampitso ka ireo no hitarika ny laharana (izany hoe "bouclier humain" raha misy ny fitifirana) ary ny tenan'i Andry Rajoelina mihitsy no hitarika ny rahampitso Alakamisy. Nentanina ny maro hitondra zavamaneno avy any an-tranony any fa "hifety" ny rehetra. Mampanahy avy hatrany ny toe-javatra hitranga fa toa mivonona ny "hamono tena" indray izany ry zareo. Hatraiza ny fetran'ny fanasana ati-doha?

Mbola noroahina niaraka tamin'ny fitaovam-piadiana indray ry zalahy fa mandrangindrangitra ny mpitandro ny filaminana hatrany na dia efa lasa nody aza ny mpitari-tolona (vita aloha androany ny 'sit in' satria tamin'ny roa sy sasany dia efa vita sahady... tsy nahomby hatrany ny tetika e!). Velona indray ny fandrobana, niainga avy amin'iny petite vitesse iny ry zalahy dia nandravarava an'Ankazomanga sy Andraharo efa nananontanona an'Ambohimanarina mihitsy. Dia eny amin'ny kianjan'ny 13 mey indray izany no ifamotoana ry zalahy rahampitso alakamisy 19 febroary 2009. Dia hoy aho mamaraparana fa nahatsiaro tampoka ilay fomba fitenin'ny frantsay raha nahazo ny amboara erantany tamin'ny baolina fandaka ry zalahy hoe: " et un! et deux! et trois zé-ro! et un! et deux! et trois zé-ro!". Raha hametraka hevitra ianao satria lava dia lava ihany ny lahatsoratra dia soraty amin'ny vakiraoka (brouillon) aloha izay hosoratanao, ka rehefa vita izany dia ankotrio (actualiser_o) ny takelaka na lahatsoratra araka izay ahazoanao azy vao adika sy apetaka ny nosoratanao tamin'ny vakiraoka. Apetaho ny anarana tiana apetaka dia avereno ny marika hita eo amin'ny authimage vao alefaso ny lahatsoratra. Marihiko hatrany fa ho ahy no tena anoratako ity takelaka ity fa mba ifampizarako aminareo fotsiny. Noho izany tsy azo atao ny mandika sy mamoaka ny lahatsoratra eto am-boky amidy tsy nahazo alalana! misaotra amin'ny fiaraha-miasa.



jentilisa, 19 febroary 2009
 

Vonona ho amin'ny ady an-trano ve isika? Are we ready for a civil war? Sommes-nous prêt pour une guerre civile?

2009-02-13 @ 08:24 in Politika

Niandry aho ka niandry, tsy nisy mpamaham-bolongana Malagasy nitantara ny teny Mahamasina tamin'ny 11 febroary 2009 afa-tsy iray na roa monja. Rehefa mandinika anefa aho dia mihevitra fa noho ny filazan'ny teny amin'ny kianjan'ny 13 mey ny talata 10 febroary 2009 manao hoe ny mpamosavy faly amin'ny fahafatesan'ny mpiray tanindrazana aminy no mankeny, tsy mahandry ny andro alina hifaliana sy hanaovan-dratsy fa te-hiseho masoandro amin'izay, tsy matahotody, mpiray petsapetsa amin'ny mpamono olona... idiran'ny fanahin'i Satana raha mankeny Mahamasina no mety ho nampihemotra ny mpamaham-bolongana tsy hankeny ny andron'io Alarobia 11 febroary 2009 teo.

Fa enga anie ho diso aho fa tsy noho ireo velively tsy akory, fa noho ny orana nirotsaka aloha voalohany indrindra nefa dia tena fotaka ny teny an-toerana na dia ny teo am-pidirana monja aza araka ny voalazan'izay nankeny (tsy tany aho noho ny "tsy fahasalamana" fa nanala faravazana indrindra ny marainan'io andro io). Izay tonga aloha nahazo ny tribunes laterales sy ny ambonin'ny tribunes centrales no nahazo ny toerana mety azo ipetrahana fa izay taratara kosa, na dia nahazo ny gradins aza dia tsy afa-mipetraka velively fa mitsangana avokoa. Efa nihoatra izay noheverina avy hatrany kosa ny fahatongavan'ny olona raha ao nanomboka nameno ny bozaka eo afovoany ny olona... indrindra fa tsy nitsahatra ny nifafy ny oramadinika dia tsy nisy an-kiala izany eo. Ny tena nampitolagaga, na dia tamin'ny iray ora sy sasany folakandro tokony hialan'ny olona tsikelikely eny an-toerana hamonjy ny toeram-piasana aza dia mbola maro hatrany ny nitanjozotra hiditra ny kianjaben'i Mahamasina.

Faharoa, somary antenantenan'andro ihany ny fotoana nefa mba manana anton'asa ihany ny olona tokony hankeny Mahamasina ka raha tsy manana faharesen-dahatra lehibe tsy hankeny izany velively. Ny tena nahavariana ahy aloha dia betsaka ny vehivavy no nandefa sms sy niantso ahy hankeny Mahamasina ny marainan'ny 10 febroary (fa iza moa no nilaza tamin-dry zareo fa mpanohana ny ara-dalàna sy manohitra ny fanakorontanana aho?)ary nilaza fa na hisy inona na hisy inona tsy maintsy ho tonga eny izy. Inona angaha no antony? efa ela loatra no nangetaheta ny haneho ny safidiny ampahibemaso izy ireo ka na ho vitsy ny tonga eny na ho maro dia tsy maintsy ho tazana eny Mahamasina no anarany. Misy ihany koa, manana olona akaiky toy ity aho, niandry io fotoana io hanehoany ampahibemaso fa manohitra izay fanakorontanana sy fandrobana ary fandoroana fananam-panjakana ataon'ny tariky ny TGV izy. Mazava loatra fa nifidy TGV izy ho fampitandremana (avertissement) ataony amin'ny fanjakana tamin'ny fifidianana ho Ben'ny tanàna ny 16 desambra 2007 nefa moa ratsy fitontona any amin'ny mpandrava efa ny vato narotsany.

Ary ny fahatelo farany, hitantsika eny ihany fa vitsy an'isa izahay tsy matahotody manaraka ny ara-dalàna sy ny voalazan'ny lalam-panorenana na dia lalàna tsy tonga lafatra aza ny lalàna miasa ankehitriny hoe amin'ny 2012 vao fotoanan'ny fanoloana izany filoham-pirenena izany fa tsy amin'izao fotoana izao, raha firenena mbola te-hiara-miasa amin'ny mpamatsy vola iraisam-pirenena sy ny banky mondialy ihany koa... efa manana ny safidiny ny maro amin'ny mpamaham-bolongana Malagasy fantatra ka naleony manao ho toy ny tsy misy izay fihaonamben'ny mpiray kopaka isasahana amin'ny mpandripaka vahoaka any. Eto tokoa no tena ahatsapana fa tolona politika ihany koa izany mampita vaovao izany... hany ka nanapa-kevitra aho fa raha sitrapon'Andriamanitra dia ho tonga eny amin'ny kianjaben'i Mahamasina aho hanampy isa ny mpamosavy mandeha atoandro eny na dia mety hiala mialoha noho ny asa tsy maintsy vitaina amin'ny Asabotsy 14 febroary 2009 hoavy izao. Tsy hieritreritra izay mety hamaroan'isan'ny mpanohana ny eo amin'ny kianjan'ny 13 mey aho fa hanampy isa ny tsy vanona sy tsy valahara. Enga anie mba samy hamory vahoaka ny roa tonta amin'io fotoana io.

Misy zavatra vitsivitsy ambara kely ihany aloha fandrao mbola tsy mahalala ianareo, fa groupe no nandefasana ny fanamafisam-peo teny Mahamasina... hany sisa nanaiky satria ny hafa rehetra dia natahotra ny fampihorohoroan'ny Terroristes Guerriers Vandales avokoa ka naleo nitandrina. Izany no antony namparofirofy ny fanamafisam-peo nampitaraina ny maro nanatrika teny Mahamasina teny. Tamin'ity fotoana ity ihany koa no nahatsapana tsara ny fihevitry ny mpitolona nanohitra ny fandehanan'ny olona hankeny Iavoloha tamin'ny 10 aogositra 1991 ka nalaza tamin'izany ny MFM nisoloan'i Constant Raveloson tena teo Mahamasina. Ny nahavariana ahy kely dia izao, nitolona aho tamin'ny 1991, anisan'ny nitarika ny tolona ny MFM na dia nisintaka aza avy teo. Nisy tolona ihany koa tamin'ny 1994 tany ho any, tsy tao aho fa ny an'ny MFM kosa dia Germain Rakotonirainy no nitarika izany... fantatra anefa fa nisy tsi-fitovian-kevitra ihany teo amin'ny MFM tamin'io fotoana io. Dia samy niaro ny safidim-bahoaka ihany koa na izaho na ny MFM tamin'ny 2002. Ankehitriny, 2009 samy mpiaro ny ara-dalàna sy manohitra ny fanakorontanana na izaho na ny MFM. Nefa aho tsy mba MFM velively (ary tsy ao amin'ny antoko TIM araka ny endrikendriky ny hafa ihany koa).

Zavatra hafa ihany koa, tsy fantatro aloha na efa nisy fampahalalam-baovao nilaza na tsia teto amin'ny serasera fa nisy nikasa ny handroba tany Toliary tany androany 12 febroary 2009, nefa ataoko fa voafehy ihany ny toe-draharaha avy eo. Rehefa avy eo moa dia fantatra fa nitifitra ny vahoaka MPANDROBA tsy tao anatin'ny "zone rouge" indray ny miaramila tany ka roa no maty tamin'izany. Ho heno ihany moa ny fomba filazan'ny eo amin'ny kianjan'ny 13 na mpitolona avy ao aminy ireny na tsia. Nanaitra ihany anefa ny fitarainan'ny loholona voafidy sy voatendry avy any fa misy ny mikononkonona ady an-trano (fomba filaza ampahibemaso ny hevitra ambadiky ny fikonokononana fandrobana fa ankehitriny kosa tadiavina hanaovana fandripahana ny Merina - sy ny Betsileo - monina any amin'iny faritra iny). Efa nisy anefa ny olona milaza (na mieritreritra) fa tena ao anatin'ny teti-panorona mihitsy io fandripahana olona toy izay nitranga tany Rwanda namonoan'ny Hutu ny Tutsi tamin'ny 1994 io. Ny tsikaritro manko (tsy naheno Audio aho na video fa ny kabarin-dRatsiraka tao amin'ny iarivo-town no hitako) dia ninian-dRatsiraka noadinoina ny nanonona an'Antananarivo nefa voalazany avokoa ny faritany dimy hafa, tsy zava-bitika veliely io amiko.

Ankoatra izay, izay nandalo an'i Tsaralalàna androany 12 febroary 2009 folakandro dia mety ho gaga fa nosakanan'ny polisy ny lalana mitsofoka an'i Tsaralalàna rehetra ankoatra an'i Petite vitesse sy iny manamorona ny Anjary Hotel mankeny amin'ny Conforama iny. Hay moa ka misy mikasa ny hiditra an-keriny ao amin'ny Hotel de Police, tsy fantatra loatra izay tena tanjony na handroba basy na hanao io Hotel de Police io ho toeram-piasan'ny Minisitry ny filaminana anatin'ny "fitondrana tetezamita". Soa ihany fa mivonona ny tsy hanaiky izany ry zareo ao.

Fa dia nanao fanentanana sy nanao fanazavana ary ny Jeneraly Ramakavelo Désiré Philippe izay mpanohana mavitriky ny TGV ny amin'ny tsy fisian'ny "sommation" teny Ambohitsorohitra tamin'ny Sabotsy 7 febroary 2009 teo ka nandripahana olona maro. Tsy vitsy tamin'ny mpanohana ny filoha Ravalomanana no nahatsiaro avy hatrany fa Minisitry ny fiarovana rangahy io tamin'ny 1992 nisian'ny fanatanterahana ny forum national ka dia karazan'ny nampitifitra an'i Monja Jaona, naratra tamin'io fotoana io, ka nahafaty an'i Laha Gaston ihany koa, teny amin'ny CEMES soanierana io nefa "vahoaka" no nentin'ireo mpitolona ireo, ary tsy tafiditra tanatin'ny "zone rouge" akory ny tariky Monja Jaona no notifirin'ny miaramilany tamin'ny 31 marsa 1992... Koa dia miandry ny valintenin'ny Jeneraly Ramakavelo izahay ny amin'ny fanazavany na ny fitolorany ny tenany hotsarain'ny tribonaly iraisam-pirenena araka ny nambarany. Marihiko eto fa nitondra fankahalana an'Antananarivo sy ny Merina izay nifidy azy ho depioten'Antananarivo renivohitra tao am-pon'i Monja Jaona mandra-pahafatiny iny fitifirana azy teny amin'ny CEMES iny... ka nitsetra azy no nataona'Antananarivo fa tsy nankahala azy velively nefa raha izay moa no lasa dikan'ny fitiavan-tanindrazana tao aminy tao (enga anie ho diso izany eritreritro izany)?

Eo ihany isika dia nieritreritra ny amin'ny nahafaty an'ilay mpaka sary manao gazety Ando Ratovonirina aho. Ahoana no mety ho nahafaty azy? Namaky gazety aho ka ny novakiako dia hoe efa nihataka an'ireo miaramila mpiambina ny lapa ny Jeneraly Dolin Rasolosoa ary efa nandre soa aman-tsara ny filazana fa hitifitra ry zareo. Mbola nihazakazaka hamonjy azy ihany anefa ity mpanao gazetin'ny rta ity, hoy ny iray amin'ny mpiara-miasa aminy, hanontany zavatra aminy. Tsy fantany ny loza mananontanona azy satria, mahafantatra ny paipaika miaramila na paipaikan'ny fiarovana ny jeneraly Dolin amin'izy izany efa miaramila Jeneraly izany. Mety ho nahatsikaritra fihetsika fanao anaty paipaika fanaon'ny miaramila sy ny mpitsikilo ny Jeneraly Dolin nefa fantany mazava fa mety ho efa anatin'ny kendrin'ny mpitifitra ny tenany (mariho tsara ho an'izay mbola te-hijery fa niditra tamin'ny teti-panoron'ny fihemorana (strategie de repli) ny tao amin'ny Emmo nat ka izay nahita ny baiko dia nahita fa lalana iray no nandehanan'ny zandary sy miaramila nanao barazy teo amin'ny ONE sy ny Shoprite teo aloha. Haingana be ny fandehan'ny raharaha (raha ekena ho marina ny nolazain'ny gazety noakiako ity) hany ka ny bala tokony ho an'ny Jeneraly Dollin no azon'i Ando. Izany hoe, tsy tsapan'i Ando akory fa efa lasa "bouclier humain"-n'ny Jeneraly Dollin ny tenany. Fihevitro ihany io fa tsy fantatra marina moa izay tena nitranga teny.

Mbola hiverina resaka "sommation" ihany. Nanao ny fepetra araka izay tratrany ny mpiambina ny RNM sy ny TVM tamin'ny 26 janoary 2009, nandefa ny grenady ny miaramila fa vao maika naharomotra ny "vahoaka" izany (izay teny manamarina na nisy tifi-danitra teny Anosy na tsia?). Hany herin'ny mpitandro ny filaminana tao niala am-pilaminana satria tratran'ny be noho ny vitsy sady ny aina lahitokana ny tena tsy nahazo alalana hitifitra. Tadidio ihany koa fa lasan'ny mpitolona avokoa ny basin'ny mpitandro ny filaminana rehetra rehefa nahasahy nitifitra izy ireo nefa tsy ampy bala raha nankeny Anosipatrana MBS ny mpitolona ka nananga-tanana ho fibabohana ny mpitandro ny filaminana rehetra tao izay Malagasy avokoa fa tsy nisy mpikarama an'ady vahiny tsy akory. Noho izany, ny barazy tenany nataon'ny miaramila sy ny zandary nandritra ny fotoana maharitra sy ny fifampiresahana maharitra nataon'ny solontena dia efa "sommation" tenany satria tsy misy zavatra tsara tahaka ny fifampidinihana anie e! Tadidio tsara anefa ny tenin'ilay kolonely mpifehy ireo mpitandro ny filaminana ireo tamin'ny Jeneraly Dollin hoe tsy misy antoka intsony ny ainareo raha vao mihoatra eto ianareo. Avy teo nandray ny fanamafisam-peo ny Jeneraly Dollin hoe "namantsika ireo miaramila ireo" fa noadinoiny ny nilaza hoe "raha vao mihoatra ireo ianareo dia mety ho voatifitra" satria tsy tsara ny miteny izany fandrao vao maika mahatezitra ny mpanaraka azy.
Manaraka izany, efa nangataka ny mpanao gazety maro mba ho ao aorian'ny mpitandro ny filaminana no hiasa, nefa dia nomarihin'ny mpitandro ny filaminana mazava tsara fa ao anatin'ny "zone à risque" hatrany ry zareo na dia izany aza. Nomena toromarika ihany koa anefa ny mpanao gazety (mbola strategie de repli ihany koa) mba hamonjy ny Hotel Colbert fa tsy hitonantonana any amin'ny toeran-kafa. Ny zavatra manaraka, efa fantatra ny anto-dianao fa haka ny lapan'Ambohitsorohitra fa tsy hoe hipetraka manoloana ny lapan'Ambohitsorohitra velively. Tohiny, rehefa novakianao ny barazy olona nataon'ny EMMO NAT teny Antaninarenina ka nanao hazakazaka ianao manatona ny lapan'Ambohitsorohitra dia efa karazan'ny nihanika fefy sahady ianao izay... na toy ny efa tafiditra anaty tokotanin'ny lapan'Ambohitsorohitra (fa inona tokoa moa ny mbola nisisihanao nanosika ny EMMO NAT izay nibahana anao tsy ho tratran'ny loza?) Efa nitarika fifanjevoana noho izany ny olona tamin'io fotoana io. Miala tsiny aho fa dia lasa mpisolovavan'ny devoly ihany koa amin'io fanazavana tsy mandresy lahatra nataoko io... nefa moa dia izay no mba takatry ny lohakeliko e!

Farany, izao (13 febroary 2009) aho vao nahatafavoaka ity lahatsoratra ity satria tsy nisy mihitsy ny connexion nandritra ny alina tokony iasako hamoahana lahatsoratra sy asa hafa (globa voices online)[efa misy ihany koa e sanatrian'izany ny fanakantsakanana?]. Alina fahatelo aho izao no misy fanelingelenana (harcelement nocturne)(amin'ny 12 alina, 2 ora, 4 ora ary @ 5 sy sasany maraina) amin'ny alalan'ny antso finday hatrany ary tsy menatra ny mampiseho ny laharan'ny findainy izy nefa rehefa antsoina tsy mamaly. Io maraina io ihany koa dia re fa nisy nitora-bato ny tranon'ny Pasitera Lala Rasendrahasina, rehefa nisy ny nanontany ny hariva  izay misy ny tranony. Mitohy ny fiarovana ny ara-dalàna sy ny fanoherana ny fampihorohoroana e!

Araka ny fanampim-baovao azoko dia ny karana sy izay olona rehetra niara-niasa tamin'ny TIKO rehetra no nokasaina horobaina tany Toliary sy hovonoina mihitsy. Re ihany koa fa miomankomana ihany koa ny jiolahim-boto na mety ho mpanohana ny TGV na mpandroba tsotra handroba sy handoro izay sisa tsy potika sy tsy may tamin'ny fananan-dRavalomanana Ao Antsirabe ao amin'izao ora hanaovana fanampim-baovao izao (10:30 eo amin'ny piste fanaovana hazakazan-tsoavaly ry zalahy amin'izao fotoana izao ho an'izay mahalala an'Antsirabe). Efa nampitandrina anefa ny mpitandro ny filaminana fa hitifitra avy hatrany ry zareo na tsy "zone rouge" ary ny toerana kasain-dry zareo horobaina sy odorana.

 
Jentilisa, 12 febroary 2009

Izay tsy miaraka aminay dia fahavalonay?

2009-02-09 @ 20:57 in Politika

Asa ianareo any ampitan-dranomasiina any raha hahatsapa ny mihatra amin'ny tsirairay eto Madagasikara amin'izao fotoana izao? Taorian'iny fanafihana tsy mitam-piadiana nanosehan'ny sasany ny tsy mahalala loatra ny hanaovana azy eny Ambohitsorohitra iny dia tsy azo atao loatra ny mampiseho miharihary ny heviny, raha ny marina dia karazan'ny foana hatreo ny fahalalaham-pitenenana raha ny eto Antananarivo no resahina. Ny mibahana any an-tsain'ny olona aloha na dia tsy voambara mivantana aza izany dia mitovitovy amin'ny hoe: "Izay tsy manohana izay ataonay dia fahavalonay." Toy ny manao hoe izy ihany no marina, ny ataony ihany no mety... efa kazarany ahatra amin'ny tsirairay noho izany ny jadona sy ny fanampenam-bava.

Noho ny poa-basy sy ny grenady angaha dia nihamarenindrenina kokoa ny olona na ny andaniny na ny ankilany. Tsia, manampin-tsofina amin'izay hevitra tsy mifanaraka amin'ny azy angaha no marina kokoa. Niharan'izany ny Monsenera Odon Marie Arsene Razanakolona raha nitsapa alahelo tetsy amin'ny kianja mitafon'i Mahamasina ny andron'ny alahady. Noteren'ny olona ampahibemaso ny lehilahy haneho ny fanohanana ny tolona tarihin'ny TGV saingy nihenahena. Tezitra ny olona ka raikitra ny horakoraka fanarabiana tsy ifandrenesana, saiky tsy hitany ny varavarana ivoahana. Tratran'ny demaokrasian'ny mpitaky demaokrasia amin'ny itiavan'ny mpitolona azy izy.

Nisedra izany ihany koa ny filohan'ny Antenimieram-pirenena raha nilahatra hanome ra teny amin'ny hopitaly Ravoahangy Andrianavalona. Any amin'ny tariky ny osy mainty manko rangahy io ka tsy mendrika ny hanome ra ny mpiray tanindrazana aminy izany. Ao amin'ny antokon'ny herin'ny maizina io Atoa Jacques Sylla io araka ny fihevitry ny mpitolona mampihevitra ny tenany ho antokon'ny ondry fotsy ka sao mamindra aretina na fahotana eo raha manome ra. Soa ihany fa sahy sedra izy, nefa eo ihany koa ny fitenenana vahiny manao hoe: "il a tout à gagner". Mety ho azo raisina ho kandidàn'ny fampihavanam-pirenena manko ny lehilahy rehefa afaka fotoana kelikely any... tsy ho gaga mihitsy aho aloha rehefa tonga ilay fotoana. Tsy zakan'ny sasany koa araka izany ny nahatongavan'ny Minisitra teo aloha Atoa Benjamin Davidson Andriamparany namangy sy nitondra fanampiana ny maratra satria tsy tao anatin'ny kajikajy politika angamba.

Ary hatramin'izao dia mila vaniny hatrany ilay noheverina ho ondry fotsy, tsy nanaiky hanao sorona ny tenany, fa aleo mahita "Isaka na Izaaka" voasaringotra teo amin'ny kirihitrala iny (na Isimaela kosa eo amin'ny finoan'ny silamo), hatao ilay sorona alatsa-drà... Oadray! tena tsy mahay lesona sekoly alahady mihitsy aho izany. Raha nandefa ny olona hirohotra ho eny Ambohitsorohitra manko ny lehilahy dia nieritreritra tao an-tsainy ilay tenin'ny Soratra Masina manao hoe: "Raha misy maka an'Ambohitsorohitra dia omeo azy ihany koa Iavoloha, tahaka ny efa nakany ny RNM ka nanomezanao azy ny TVM sy ny MBS sy ny Magro sy izay hafa tsy fantatro intsony..."

Izay no ela fa noho ny fananana maritiora, dia nentina nandehandeha manerana ny arabe, tahaka ny fanaon'ny palestiniana rehefa misy mpitolona novonoin'ny Isiraeliana ireo sorona ho an'ny ondry fotsy, oadray, demaokrasia aza fady indrindra, oadray tanindrazana manko e! ka nahavory olona maro tokoa, nohararaotina izany toe-javatra izany hilazana amin'ny maro fa manomboka rahampitso ny fitokonana faobe, ka efa nanakatona ny azy mandra-pahatongan'ny 1 martsa 2009 ny sekoly frantsay...tsss, resaka tsy misy ifandraisany izany ka! fiarovana aina fotsiny ny azy. Raha ny nolazain'ny fampahalalam-baovao samihafa no henoina dia rahampitso ihany koa no hotononina ny mpikambana ao amin'ny governemanta efa hoeken'ny mpanao gazety rehetra avy hatrany ho ara-dalàna satria avy amin'ny "vahoaka".

Marihina anefa fa efa niomankomana hiatrika izany sahady araka ny itarafana azy ny ao amin'ny Emmo Nat (na Emmo reg) niatrana sahady teny amin'ny kianjan'ny 13 mey io takariva hadiva ho alina io. Hampirohotra ny olona ve ny fandrenesana izany sa hampandositra ny olona kosa. Teny amin'ny manodidina teny ihany manko io tolakandro io ( alatsinainy 09 febroary 2009) tamin'ny 3 ora teo ho eo, dia nisy olona nihazakazaka (toa paikana jiolahim-boto koa ilay izy no tena marina!) avy tany an-kianja tany, fa nisaritaka daholo ny olona namonjy aina tamina zavatra tsy misy dikany (na tsy misy akory aza). Nitsofohany daholo izay rehetra azo nitsofohana na toeram-pivarotana na toeram-piasana misokatra na tranon'olona tsy voarindrim-baravarana. Tena mihorohoro ry zareo ny olona fandrao misy mitifitra avy any an-tafontrano any. [kodiarana vaky nipoaka hay moa no niatombohan'ity raharaha ity].Nefa izany tsapa izany dia ahafahana mitaratra fa hampihemotra ny olona ny fahitana ny mpitandro ny filaminana indray manodidina sy hiaro ny kianja, manahy aza aho fa ho avy ny tsaho hoe efa miatrana sy mandry any ho any indray ry zalahy niafina tao amin'ny tresor sy ny finance tamin'ny Asabotsy ireny... nefa moa ny tolona tsy maintsy mandresy hoy ny tigetra henoko vao haingana izay, ahatsiarovana ny fitenin'ilay mpitondra sady mpitari-tolona iray manao hoe "tsy maintsy mandresy ny tolona!" (na hihinana t.. aza ny olona, hoy ny fanampiny nataon'ny MaFana t@ 1976 - 1977 tany ho any, sa tsy fantatrareo mpahay tantara izany?). Nandalo teny aho io maraina 10 febroary 2009 io fa niala tsy hita ny Emmo nat. Noho ilay fihaonana mety hotontosain'ny mpanohana an-dRavalomanana rahampitso alarobia 11 febroary angamba ny antony raha izany.



Jentilisa, alatsinainy 09 febroary 2009

Ambohitsorohitra 07 febroary 2009: Fizotry ny tantara

2009-02-08 @ 00:09 in Politika

Tonga tamin'ny tanjona iray notratrariny i Andry Rajoelina sy ny ekipany androany 07 febroary 2009. Tanjona izay tsy nahomby tamin'ny fanafihana ny TVM sy ny RNM ary ny MBS mbamin'ireo Magro sy toeram-pivarotana maro manerana an'i Madagasikara tamin'ny 26 janoary 2009. Na dia potika daholo aza ireo fitaovana sy fananana rehetra ireo dia vitsy tsy araka ny nantenain-dry zareo ny maty, olona maty noho ny fandrobana toeram-pivarotana nodorana sy fifanosihosen'ny samy mpandroba indray ary no betsaka, hany ka ilay iray voalaza fa tsy ampy taona nanafika ny foiben'ny MBS teny Anosipatrana iny ihany no natsangana ho maritioran'ny 13 mey.

Fa inona avy aloha ny toe-javatra nitranga hita tamin'ity herinandro ity nahatongavana tamin'izao dingana izao? Tamin'ny heriny, raha "nandray ny fahefana" i Andry Rajoelina dia nibaiko ny mpiasam-panjakana rehetra tsy hiasa fa akatona avokoa ny minisitera mandra-panangana ny governemanta tetezamita ary nisy aza ny fandrahonana ny mpiasan'ny minisitera fa omena ny didy fampisamborana izay mpiasam-panjakana mbola miditra any amin'ny toeram-piasany. Tetsy ankilan'izany kosa niantso ny mpiasa hiasa sy ny mpianatra hianatra ny avy amin'ny fitondram-panjakana ara-dalàna, ny Emmo Nat rahateo efa nanome toky fa hiantoka ny fiarovana azy ireo amin'izay. Izaho izay nanoratra aza dia gaga ny amin'izay hianaran'ny mpianatra sahady, kanjo nizotra am-pilaminana avokoa ny rehetra. Nandamoka i Andry sy ny tariny teto satria niasa sy nianatra avokoa ny rehetra... ny tena fitokonana anefa dia izay mahakatso ny fampandehanana ny raharaham-panjakana rehetra mihitsy. Eo amin'ny lafiny ilany, tsy voatery ho mpiasam-panjakana ihany ny olona hitokona fa ireo mpiasan'ny tsy miankina sy very asa ihany koa.

Nihavitsy ary ny olona tonga teo amin'ny kianjan'ny 13 mey ny andro talata 03 febroary 20009, nampanantena fety ho an'ny rehetra indray i Andry Rajoelina ka navoaka ny anarana artista hoe "Rossy", izay tsy tody teto an-tanindrazana mihitsy tamin'ity herinandro ity. Nanasa ny mpanaraka azy izy mba hitondra ny fianakaviana rehetra amin'io andron'ny Asabotsy io na ny ankizy na ny efa antitra samy tafiditra amin'izany antso izany avokoa,fa eo koa no haseho ny miaramila manamboninahitra manaraka azy sy hananganana ny governemanta. Nilaza ny Ben'ny tanàna fa hatsahatra kely ny fihaonana etsy amin'ny kianjan'ny 13 mey fa hitety faritany kosa ny tenany ka any Antsiranana ho hanombohany izany fitetezam-paritany izany. Teo no tsapa fa mihareraka ve ny olona sa tsy hahita "evenement" loatra ka aleo hiandry faran'ny herinandro indray? Mba hita ihany manko fa betsabetsaka ihany ny olona tonga manatrika rehefa Asabotsy ny andro. Andaniny ihany koa anefa dia mety noho ny fitadiavam-bola eo amin'ny olona ihany koa no mahatonga izany fihenan'ny mpitolona eny amin'ny kianjan'ny 13 mey izany.

Hitan'ny eo amin'ny fitondrana ny fihenan'ny olona teny an-kianja koa dia nametraka teti-panorona izy hahitany tsara ny isan'ireo mpanaraka ilay mpitolona. Nanendry ny delegasiona hisoloana ny mpitantana rehetra eto Antananarivo Ambonivohitra ny tao amin'ny minisiteran'ny atitany (fa tsy ny Ben'ny tanàna ihany); ary dia nankeo amin'ny birao fiasan'ny Ben'ny tanàna etsy amin'ny kianjan'i Mahamasina mihitsy moa ry zareo ho amin'izany fametrahana delegasiona manokana tantanan'olona telo izany. Akory ny hafalian'ny TGV nandre ity fanendrena avy amin'ny fitondrana ity. Toa toe-javatra ahazoany hery indray manko no hitany ka naato indray ny fikasana ho any Antsiranana fa hanendry ny PDSny ihany koa izy. Niantso ny mpanohana azy ho eny Mahamasina sy Tsimbazaza ny lehilahy hanao "sit-in" eny sy hametraka an-dRatoa Ratsivalaka Michelle ho Présidente délégation spéciale ny andron'ny Alarobia 04 febroary 2009. Nampitandreman'ny Ben'ny tanàna avokoa ny vahiny rehetra monina eto Antananarivo tsy hivoaboaka ny trano ity andron'ny alarobia ity fandrao misy loza mahazo azy ireo tampoka. Efa nampanantena sahady ihany koa ny lehilahy ho an'izay te-hahita fampihesoan-kery (izany hoe herisetra ve no tiany lazaina?) fa amin'ny Asabotsy ny endriny. Nakatona avokoa ny boriborintany (enina) teto Antananarivo Renivohitra. Nisokatra avokoa indray ny biraom-pokontany rehetra satria ny Prefecture no nanendry ny sefom-pokontany sy ny mpitahiry vola tamin'ny toerany.

Nandritra ny kabary nataon'ny mpitarika ny TGV teo anoloan'ny kianjan'i Mahamasina no nidradradradrana fa misy zatovolahy nokaramaina hamotika ny tolona sy handraa tsena izao, nanonona anaran'olona mihitsy moa ry zareo nandritra io fotoana io ka ireo Lehiben'ny tsena rehetra teo aloha no voatondro ho hitady mpikarama an'ady ary dia voatonona anarana ihany koa i Jacquot ao amin'ny tarika Green. Raikitra ny tsaho fa misy mandroba ny any amin'ny birao any Tsimbazaza (tany Mahamasina daholo ihany manko ny mpanaraka azy mba ho betsabetsaka kokoa ny olona hita hanaraka azy) dia lasa ny matanjaka rehetra nidodododo nananika an'Ankadilalana. Miambina soa aman-tsara ny biraon'ny Kaominina anefa ny mpitandro ny filaminana. Tsy nanaiky ireo olona ireo raha tsy nisy solontena hitsidika ny isam-birao mihitsy hanamarina fa tsy nisy niditra an-keriny ny toerana. Teo dia fantatra fa tsaho ihany kay ny resaka heno tany Mahamasina. Nidina namonjy an'i Mahamasina daholo indray ny matanjaka rehetra. Tafapetraka teo imason'ny mpanara-dia azy ary ny PDS notendren'i Andry Rajoelina, ary teo imason'ny haino aman-jery maro dia ity Ramatoa ity no tena PDS, nitongilana ve ny mpanao gazety? Ny tsikaritra tamin'ny fitsapana hevitra tamin'ny aterineto anefa dia 60% mahery no mihevitra kokoa ny Delegasiona (tsy misy hoe Prezidà izy io) notendren'ny minisiteran'ny atitany ho ara-dalàna.

Noho ny hery azon'i Andry teo anatrehan'ny mpanaraka azy angaha dia nampirisika ny rehetra indray izy ny ampitso alakamisy 5 febroary 2009 hametraka ny sefom-pokontany rehetra manerana an'Antananarivo. Hevitra efa voahevitra tsara ve hoe hizarazara avokoa indray ny herin'ny mpanara-dia azy amin'izany fotoana izany fa dia voatery nanaraka izany baiko izany tsy fidiny indray Ramatoa Ratsivalaka Michelle. Naka feo sy sary tamin'ireny biraom-pokontany ireny ary ny mpanao gazety ka nambaran'izay nahasahy namaly fa ho eo amin'ny birao izy ireo ka tsy hiala amin'ny toerany raha tsy misy taratasy avy amin'ny préfecture izay nametraka azy ireo. Tonga tokoa ny andron'ny Alakamisy, tsy sefom-pokontany indray no hapetraka fa ny mpitahiry vola (resaka vola indray ve no mahamaika?) fa ny lehiben'ny fokontany kosa dia hofidian'ny fokonolona, ka apetraka any amin'ny boriborintany ny filatsahan-kofidiana ary izay tena tia tanindrazana (hevitra ambadiky ny hoe TGV) ihany no tokony hirotsaka. Diso paika ny TGV saiky hanomboka ny raharaha teny amin'ny cité Ampefiloha, efa nanana fokonolona niaraka nijoro hiaro ny fananany. Niaro ny biraom-pokontany izy ireo ka nanambara mazava fa ny ara-dalàna ihany no ankatoavin'izy ireo. Saiky toy izany hatrany no nahazo azy ireo na dia niova fokontany aza ry zareo. Nihena indray ny herin'ny TGV teo.

Nandritra izany fotoana izany, nanendry ny komandy voalohan'ny zandarimaria eto amin'ny faritra Analamanga ny filankevitry ny Minisitra ka ny komandy tany Toamasina izay nalazalaza ny zavatra nataony nahasahy nisambotra mpanao fihetsiketsehana andaniny sy ny mpandroba andaniny nandritra ny fotoana nampamaivay ny toe-draharaha tany no notendreny ho aty. Araka ny tatitra manko dia saiky tsy vakin'ny mpandroba mihitsy tany Toamasina ny Magro noho ny fiarovana mafy nataon'ny mpitandro ny filaminana tany. Ny nahavaky ny tranombarotry ny filoha dia noho ny fifindran'ireto mpiambina ireto hiaro ny fananan'olo-tsotra tany Ambolomadinika izay notadiavin'ny mpandroba hobakoavana. Naleon'ny mpitandro ny filaminana manko niaro ny fananan'ny sarambambem-bahoaka. Noho izay safidin'ny miamila izay no nahavaky ny magro iray tany Toamasina. Teo ihany koa ny fisamborana an-kafetsena ireo nihaika ny olona hilahatra an-dalambe. Manaraka izany, mpiara-miasa akaiky ny mpitarika ny Emmo nat ihany koa ity notendrena ho komandy voalohan'ny zandarimariam-pirenena ity.

Manaraka izany ihany koa dia nantsoina hanao iraka manokana (hiambina ny lapan'Ambohitsorohitra raha ny fijeriko azy) aty Antananarivo ihany koa ny 2°RFI (Régiment de forces d'intervention) avy any Antsiranana sady efa maro rahateo ny nahare ity vaovao ity. Ireo tranga roa ireo dia efa ahatarafana mazava fa hisy zavatra hitranga mihitsy mandritra ny andron'ny Asabotsy 07 febroary 2009. Tsy mahagaga raha maro indray ny mpivarotra anaty trano no nitaona ny entany mankamin'ny toerana azo antoka kokoa nandritra ny tontolo andron'ny Zoma. Efa nanahinahy ihany koa aho fa hisy zava-dehibe hitranga indray ao anatin'ny 48 ora raha be indrindra ka tsy hitonantonana haka sary eny amin'ny kianjan'ny 13 mey mihitsy aho indrindra moa izany hiakatra an'Ambohitsorohitra izany. Nisinisy ihany ireo nanontany ahy raha ho eny amin'ny 13 mey aho na tsia fa tsotra ny navaliko azy ireo: Tsy hanao ny sorona ny tenako eny mihitsy aho! Efa miharihary sahady amin'ny ataon'ny andaniny sy ny ankilany fa hisy fifanandrinana eo.

Naka ny toerana mpanao tetikady miaramila aho ny zoma hariva, ka hitako mazava tsara fa tsy misy na inona na inona azo atao mandritra ny kabary sy ny fanononana ny mpikambana ao amin'ny Governemanta tetezamita efa nampanantenaina ny olona fa ny ora manaraka izany kosa ny fotoana mety indrindra hanatanterahana ny "iraka". Tonga ny Asabotsy fa nampitonantonana tany Ambohitsorohitra mihitsy ireo olona mpanaraka azy. Tranga roa no tsy maintsy hitranga nanomboka ny tolakandro ka efa tafakatra teny Antaninarenina amin'izay ireo olona (miala tsiny mivantambantana miteny hoe ny avy any ambany tanàna no tena maro an'isa tamin'ny fitarihana sy fialohavana teny ampilaharana tonga teny Antaninarenina): Na mitifitra ny mpitandro ny filaminana na may Ambohitsorohitra, ireo ihany, tsy misy hafa. Raha nanaiky ny hidiran'ny vahoaka ny lapan'Ambohitsorohitra ny miaramila tao anatiny dia mivandravandra fa tsy mifehy ny tafika intsony ny filoha Ravalomanana ka tsara ho azy ny miala ny toerany avy hatrany. Ny olona koa etsy andaniny efa mihorakoraka ny "ela loatra" ary tsy maintsy handroso ("jusqu'à la mort" hoy ny tarigetran'ny mpanohana ny TGV izay). Ny zavatra nahavariana dia tsy niakatra nankeny Antaninarenina mihitsy i Andry fa ny lalana mody ny azy no nasiany olona, noho izany dia ny Jly Dolin Rasolosoa no tena nandrindra ny fihetsiketsehana rehetra sy ny fifampiresahana tamin'ny mpitandro ny filaminana. Ny "Praiminisitra" vao notendrena Monja Roindefo Zafitsimivalo kosa moa dia karazana kofehy manara-panjaitra ihany.

Fa tahatahaka ny ahoana tokoa moa no nitranga teny raha ny vaovao an-tsary narahina no itarafana azy? Nifampidinika, araka ny efa nosoratako, ny Jly Dolin sy ny kolonely iray avy eo amin'ny zandarimaria, samy manana ny mpanotrona azy ny roa tonta ary eo anatrehan'ny mpanao gazety sy ny mpaka sary rahateo moa izy ireo no miresaka (toa amin'ny teny frantsay ny ankamaroan'ny resaka e?). Nitady ny hitafa amin'ny lehiben'ny mpiambina ny lapa ny Jly ka nomarihin'ny Kolonely nitafa taminy fa tsy azony atao ny mitondra ny vahoaka hiditra amin'izany lapa izany. Solontena ary no nentina hiresahana amin'ny mpiambina ny lapa ka parlemantera ny maro amin'izy ireo. Nandritra izany fotoana izany dia efa nofeperana ny mpaka sary sy ny mpanao gazety fa any amin'ny lafiny misy ny Hotel Colbert no tokony hisy azy ireo fa tafiditra anaty faritra mampidi-doza ry zareo. Nilaza tamin'ny mpanao gazety ny Jly Dolin fa tsy azon-dry zareo ihoarana ihany koa ny ruban mena sy fotsy naravaka teo afovoan'ny arabe manatrika ny lapa io raha tsy te-hidiran-doza. Ny mpanao gazety ihany no nandre izany teny izany fa tsy ny vahoaka feno horakoraka ery amin'ny zaridainan'Antaninarenina.

Nifampiresaka tamin'ny solontenan'ny mpiambina (izay Malagasy fa tsy ny anganon'ny mpikarama an'ady araka ny tsaho ofisialy dradradradraina isan'andro tsy akory) ireo parlemantera sy ny Jly Dolin... tsy nisy fantatra moa izay resaka tao satria tsy nahazo nanatrika teny ny mpanao gazety rehetra. Mazava fa nandamoka ny resaka, niverina ny solontena ka raha nanontany ny mpanao gazety hoe nanao ahoana dia novalian'ny Jly Dolin ny hihemorana fa hitifitra hoe ry zareo. Nandritra izany fotoana izany anefa dia efa nandroso tsy azo nofefena intsony ny matanjaka rehetra tao amin'ny fitolomana. Vaky ny sakana nataon'ny mpitandro ny filaminana teo anoloan'ny Shoprite teo aloha sy ny ONE (araka izay efa nosoratan'i Avylavitra). Samy nihazakazaka toy ny tafara-dalana ny zandarimaria sy ny matanjaka saingy ny lalana no samihafa. Ny zandarimaria dia samy namonjy ny ankavanana ho toy ny hankany amin'ny banky foiben'i Madagasikara iny, fa ny matanjaka kosa nihazakazaka (averiko indray ny soratra hoe mihazakazaka) hanitsy indrindra ny lapa. Vao nandingana ilay ruban fotsy sy mena nolazain'ny Jly Dolin tsy azo ihoarana iny indrindra ny lohalaharana tamin'ireo matanjaka hanitsy ho eny an-dapa dia velona ny tifitra variraraka voalohany. Niverina nanavotr'aina avokoa ny rehetra, ireo tsy tafaverina kosa dia tsy maintsy nitsirara sy nanao diam-boay (marche crocodile) raha tsy te-ho faty.

Ny nahavariana, teny Soarano indrindra aho no nandre ny tifitra voalohany, fa nikoropaka avokoa na dia ny olona tany aza. Samy nandositra avokoa na ny mandeha an-tongotra na ny mpitondra fiarakodia ka nisy ny tsy nahatandri-tena intsony ka nodonin'ny fiara izay nanavotr'aina ihany koa. Mafy dia mafy ny nahazo ilay ramatoa voadona... Tsitapitapitr'izay fa nikatona avokoa ny toeram-pivarotana rehetra. Maro tamin'ny mpivarotra amoron-dalana no nanangona ny entany. Tsy niala tamin'ny toerany kosa anefa ny atsasaky ny mpivarotra teny Isotry (tsena ny andro Asabotsy) izay mihevitra fa tsy hanenjika olona hatreny kosa ny mpitandro ny filaminana. Nahare poa-basy koa ny teny Besarety, nahavariana ihany io raha ny halavitry ny toerana no heverina, hay saiky hisy hamaky avy hatrany indray ny shoprite teo Ambodivona izay tsy vaky nandritra ny andron'ny talata 27 janoary 2009. Maro ny toerana toy izany no saiky hanararaotan'ny mpandroba fa saiky voafehy daholo izy ireny tamin'ny ankapobeny. Asa, inona ihany koa angaha no mbola azo tantaraina fa dia miara-ory amin'ireo izay mana-manjò ny tena, na dia eo aza ny hevitra mety tsy itovizana.

Ny tsikaritra aloha dia tena nisara-kevitra ny maro teto Antananarivo tamin'ity toe-draharaha ity. Nitantara mivantana avokoa manko ny ankamaroan'ny fampielezam-peo tamin'ity vanim-potoana "lehibe" ity... ka maro tamin'ireo tsy mankasitraka ny tolona no efa mitaintaina nahatonona mihitsy hoe "tifiro! tifiro amin'izay!" ary mba nahatonona koa izy ireo hoe "ela loatra koa izy izany!". Malahelo aho milaza aminareo fa maro tamin'ireo izay tsy niomana ho eny, no nahasahy nilaza mihitsy hoe "nahazo izay notadiaviny izy izany!" ka toa tsy antra fo tamin'izay niharam-pahavoazana mihitsy aza. Ny mpankasitraka ny tolona sy izay nankeny Ambohitsorohitra kosa (ny teny Isotry no tena nohenoiko) dia mamerimberina hatrany fa "ny mpikarama an'ady" (ilay laingalainga nafafy hatry ny ela) no nitifitra fa tsy nisy Malagasy nitifitra izany. Maro tamin'izy ireo no nanozona ny filoha Ravalomanana sy nilaza azy ho mpamono olona. Inona koa? ny filoha Ravalomanana sy ny Praiminisitra no naneho voalohany ny fiaraha-miory sahady... fa i Andry Rajoelina kosa tamin'ny 18:30 vao nanao izany sady "nitomany" nanameloka an-dRavalomanana ho tompon'andraikitra amin'izao vono-olona izao.

Marihiko fa anisan'ireo nitonantonana tany Iavoloha aho tamin'ny 10 aogositra 1991 ka efa nahatsinjotsinjo ihany fa hisy ra mandriaka any saingy nihevitra ny tena fa famadihana ny tolona ny tsy nandehanana tany, na dia fantatra izao aza ny zavatra niandry. Efa natao ihany ny hafetsena tsy handehanana any aloha any amin'ny filaharana ka mbola teny Andoharanofotsy izahay no nandatsaka ny "mananasiny" ny miaramila tao amin'ny angidim-by. Taty aoriana aho no nahatsapa fa nataon'ny mpanao politika tohatra fiakarana fotsiny izahay tamin'iny fotoana iny. Saingy izao, niaraka tamin'ny mpitolona hatrany ireo mpanao politika nitolona tamin'izany fotoana izany fa tsy nitsoa-pahana tahaka an'i Andry Rajoelina izay "nitso-drano" ny vahoaka fotsiny. Dia niseho androany tokoa ny fampisehoan-kery, araka ny efa nampanantenain'i Andry Rajoelina.



Jentilisa 8 febroary 2009 amin'ny 02:07 maraina

Manana mpahay lalàna ve Ravalomanana sy...?

2009-02-04 @ 21:54 in Politika

Nampiakatra ny hambom-pon'ny mpanohana ny TGV ilay fanendrena PDS vonjimaika notontosaina omaly 03 febroary 2009 ka nahitan'ny mpitarika ny fihetsiketsehana hevitra vaovao hanohizany ny tolona indray. Diso paika tanteraka noho izany, araka ny fijeriko, ny teo amin'ny fitondrana maika nanendry olona hitantana an'Antananarivo Renivohitra ao anatin'izao vanim-potoana mbola mahamay izao. Na dia tsy nitombo betsaka manao ahoana aza ny mpanaraka azy amin'izay alehany dia lasa "nazoto" nitolona indray ireo sisa nanaraka azy. Ny lainga sy ny tsaho afafy moa manaraka eny foana, io angamba araka ilay fomba fitenina "nazi" iray tsipalotro tamin'ny andro nanomezana maimai-poana ny gazety Imongo Vaovao fony ny AKFM no nitantana an'Antananarivo renivohitra manao hoe: "Mandaingà, mandaingà hatrany fa tsy maintsy misy inoan'ny olona ihany ireny amin'ny farany."

Raha ny fahazoako ny resaka moa dia "samy hafa" ny teny hoe "fampiatoana" sy ny teny hoe "fanalàna" eo amin'ny voambolan'ny lalàna raha mikasika ny tranga toy ny eto an-drenivohitra no jerena. Namerina namaky ny taratasin'ny Minisitry ny atitany manontolo aho fa nisy hafetsena be dia be tao anatiny, na dia tsy manam-pahaizana momba ny lalàna aza aho dia izay kely fantatro no ambarako, nefa tsy voatery ho izay voalazako no marina:

Voalohany: Eo amin'ny lohateny hitako dia voasoratra hoe: "Ministeran'ny Atitany - Didim-pitondrana laharana faha-1919/2009 Ananganana Delegasiona manokana eo anivon’ny Kaominina ambonivohitra Antananarivo". Tsy misy soratra velively eo milaza hoe "Aato" na "esorina" amin'ny toerany ny Ben'ny tanànan'Antananarivo. Mahavariana ihany io tranga io eo amin'ny sehatry ny lalàna satria tsy misy filazana manao hoe "tsy manao ny asany intsony ny Ben'ny tanàna". Koa raha araka ny fijeriko dia na tahotra na hafetsena ny tsy nampiasana ny iray voambolana voatonona teo na hoe "Ity didim-pitondrana ity no manafoana ny maha-ben'ny tanàna an'Antananarivo an'i Andry Rajoelina". Tena hafahafa e! Mamandrika ve ny ao amin'ny Minisiteran'ny atitany sa nanadino ny zavatra tokony hosoratana amin'ny zavatra toy itony sa izaho mihitsy no tsy mahay lalàna?

Faharoa: Eo amin'ny savaranonando mahazatra misy ny filazalazana hoe araka ny... araka ny io dia misy ny filazana roa farany manao hoe:

"- Araka ny didim-panjakana laharana faha-2009-130 tamin’ny 21 janoary 2009 mametra ny anjara raharahan’ny Minisitry ny Atitany sy fandaminana ankapobe ny Ministerany;"
"- Araka ny tatitra laharana faha-152- MINTER/PRFPOL/AG/ Cf tamin’ny 30 janoary 2009 mikasika ny anjara raharaha sy ny fomba fiasan’ny Kaominina ambonivohitra Antananarivo;"

Ireo voasoratra anankiroa ireo dia tamin'ity taona 2009 ity ka ataoko fa be no mbola tsy mahalala izay votoatin'izay voalaza ao anatin'ireo. Noho izany, sarotra ny hiteniteny foana amina "fiadiana" tsy fantatra akory nefa efa mitoetra ho karazana lalàna. Isika Malagasy rahateo tsy miraharaha lalàna loatra raha tsy efa iharany ka eo vao mipenipenina etsy sy eroa.

Fahatelo: ny andininy voalohany dia manambara fa "hisahana vonjimaika ny andraikitra nomena ny ben’ny tanàna sy ireo mpikambana ao amin’ny birao mpanatanteraka sy ny Filan-kevitra monisipalin’ny Kaominina ambonivohitra Antananarivo, Faritra Analamanga" izany delegasiona manokana izany. Vonjimaika no voasoratra fa tsy fantatra mihitsy hoe mandra-pahoviana izany vonjimaika izany. Tena tsy mahalala ny fandehan'ny lalàna aho ka izay mahay aoka hanazava aza fady indrindra. Raha ny tokony ho izy manko dia tsy tokony hivoaka ny lalàna mihitsy ny zavatra atao. Eto raha jerena dia tsy ny Ben'ny tanàna ihany no "soloina" vonjimaika fa ny mpitantana rehetra eto amin'ny fiadidiana an'Antananarivo ambonivohitra. Raha ny Ben'ny tanàna irery no "soloina" vonjimaika dia tokony ho ny iray amin'ny lefiny (toa an-dRamatoa Ratsivalaka Michelle izay napetrak'i Andry Rajoelina ohatra) no "misolo" azy. Koa raha "soloina" avokoa araka ny taratasy ny mpitantana rehetra, mazava ho azy raha olona ivelan'ny fitantanana mihitsy no "tendrena". Izay aloha no mba takatry ny lohakeliko ny amin'iny. Hapetrako ho tovana etsy ambany moa ny fanambaran'ny Minisitry ny atitany iray manontolo.

Etsy andanin'izany moa dia faly tamin'ny tsi-fanarahan-dalàna araka ny voalazany ny TGV, baiko vava no nilazana fa tsy manankery intsony ny sefom-pokontany eto an-drenivohitra sy manerana ny nosy ka hosoloina sefom-pokontany avy amin'ny lisitry ny TGV avokoa izy ireo. Tsy mbola nahitako taratasy ofisialy aloha fa asa izay fivoahany aoriana kely ao. Hatramin'izao dia toy ny "baiko am-bava" no nametrahana an-dRatsivalaka Michelle tsy fantatra intsony na maire na PDS. Nakatona avokoa ny biraon'ny boriborintany rehetra androany ho setrin'ny fivohan'ny biraom-pokontany rehetra sy ny minisitera rehetra mbamin'ny asa sy fianarana hafa rehetra. Mazava loatra, araka ny fijeriko, fa ny hanakatona ny birao-mpokontany rehetra no tena tanjon'ny TGV mba tsy hisy hivoaka ny taratasy rehetra ilain'ny mponina ara-panjakana higafiana ny mponin'Antananarivo maro an'isa tsy mety manaraka ny tolony intsony. Izay, araka ny fijeriko, no ibaikoany ny mpanaraka azy, rahampitso alakamisy 5 febroary 2009, hanolo sy sefom-pokontany rehetra... nefa inona moa no hanoloana izay "efa tsy manankery" araka izay nolazainy? Noadinoiny manko ny niteny hoe "miasa amin'izao fotoana izao" (loza koa ity nanjary mijery pitsopitson-javatra ity noho ny lalàna). Mazava loatra fa gafy tena gafy no ataony fa tsy zavatra hafa intsony (vao maika nanamarina ilay fandrahonana azona mpanatontosa tetikasa iray manao hoe ajanony avokoa ny asa ataonareo rehetra fa an'ny fitondrana tetezamita izao ny fahefana, mpitondra aiza no mibaiko ny olona tsy hiasa?)

Manaraka izany, notohizan'i Andry Rajoelina soa aman-tsara ny fahadisoana nataon-dravalomanana fony nitsidika ny RNM sy ny TVM niampanga an-dRatsiraka Roland sy ny Jly Rasolosoa Dolin ho tao ambadiky ny fandrobana sy fandoroana nandritra ny tontolo andron'ny 26 janoary 2009; ny mpanaraka ny TGV dia nilaza fa toa "lynchage" atao amin'ireny olona ireny no nokendren'ny filoha fa tsy ny hitondra ny raharaha eny amin'ny fitsarana velively. Mihamibaribary fa ady sy korontana no tadiaviny hitranga eto Madagasikara ary efa hita taratra teny Mahamasina fa efa vonona ho amin'izany mihitsy "ireo sisa manaraka azy". Notabatabaina indray manko teny Mahamasina fa maka mpikarama an'ady ireo lehiben'ny tsena reehtra teo aloha, ka tafiditra anatin'izany ny lehiben'ny tarika mpihira rock Green. Inona tokoa no nitranga avy teo? rehefa nihazakazaka nankeny Tsimbazaza noho ny tsaho ny mpanohana ny TGV nefa tsy nahitana na inona na inona tany dia nifanena tamina lehibena tsena teo aloha tokoa. Efa saiky nanomboka ny daroka io lehibena tsena io fa niato izany satria nanatrika teo sy naka ny sary ny mpanao gazety avy amin'ny tvplus madagascar (izay efa mamoaka ny vaovaony ao amin'ny vohikalan'ny http://www.tvplusmadagascar.com/ ); tsy nanaiky ny hamaliana na hanazaan'ilay lehiben'ny tsena mihitsy ry zalahy fa komondry na felaka no mandeha raha vao miteny ilay io (izany no mpitaky demaokrasia aminy!). Mampatahotra dia mampatahotra ny maro ihany koa ny tenin'i Andry Rajoelina manao hoe : "Raha ilaina ny fanehoan-kery dia amin'ny Asabotsy no endriny"; endrika fanehoan-kery tahaka ny ahoana moa izany satria efa niantso ny mpanohana azy izy hitondra ny vady aman-janany avy amin'io sabotsy io.

Farany, mivanitika dia mivanitika aho mahita fa nanaraka ny fanaoko nandritra ny kabary fanokanana ny kianjan'ny demaokrasia izay nanakianana sy niampangana ahy ho mpandainga na ny topmada.com androany na ny sobika.com nandritra ny andro vitsivitsy izay manao karazana mivantana milaza ora. Tena fanka-tahaka hay ny http://jentilisa.blaogy.com manana ny anarana Maharesaka VETO na dia olon-tokana aza no mamelona azy.



jentilisa, 04 febroary 2009 @ 23:55 ora eto Antananarivo

Tovana:
Ministeran'ny Atitany - Didim-pitondrana laharana faha-1919/2009
Ananganana Delegasiona manokana eo anivon’ny Kaominina ambonivohitra Antananarivo

NY MINISITRY NYATITANY ,
Araka ny Lalàm-panorenana;
Araka ny lalàna laharana faha-93-005 tamin’ny 26 janoary 1994 anoritana ny politika ankapobe itondrana ny fanapariaham-pahefana;
Araka ny làlana laharana faha-94-008 tamin’ny 26 aprily 1995 mikasika ny fandaminana sy ny fomba fiasa ary ny anjara raharahan’ny Vondrom-paritra anapariaham-pahefana;
Araka ny hitsivolana laharana faha-2007-001 tamin’ny 8 oktobra 2007 mikasika ny fifidianana any amin’ny Kaominina;
Araka ny didim-panjakana laharana faha-2007-022 tamin’ny 20 janoary 2007 anendrena ny Praiministra sady lehiben’ny Governemanta;
Araka ny didim-panjakana laharana faha-2008-427 tamin’ny 30 aprily 2008 novaina sy nofenoin’ny didim-panjakana laharana faha-2008-596 tamin’ny 23 jona 2008, laharana faha-2008-766 tamin’ny 25 jolay 2008 ary laharana faha-2009-001 tamin’ny 4 janoary 2009 anendrena ireo Mpikambana ao amin’ny Governemanta;
Araka ny didim-panjakana laharana faha-2009-130 tamin’ny 21 janoary 2009 mametra ny anjara raharahan’ny Minisitry ny Atitany sy fandaminana ankapobe ny Ministerany;
Araka ny tatitra laharana faha-152- MINTER/PRFPOL/AG/ Cf tamin’ny 30 janoary 2009 mikasika ny anjara raharaha sy ny fomba fiasan’ny Kaominina ambonivohitra Antananarivo;

DIA MAMOAKA IZAO DIDY IZAO:

Andininy voalohany
- Atsangana ny delegasiona manokana ahitàna mpikambana telo ao amin’ny Kaominina ambonivohitra Antananarivo izay hisahana vonjimaika ny andraikitra nomena ny ben’ny tanàna sy ireo mpikambana ao amin’ny birao mpanatanteraka sy ny Filan-kevitra monisipalin’ny Kaominina ambonivohitra Antananarivo, Faritra Analamanga.

Andininy 2
- tendrena ho mpikambana ao amin’ny Delegasiona manokan’ny Kaominina ambonivohitra Antananarivo ireto olona voalaza anarana manaraka ireto:

- Andriamatoa Guy Rivoniaina RANDRIANARISOA, Filoha;
- Andriamatoa Edouard RAZAFIMANANTENA , Lefitra voalohany
- Andriamatoa Patrick RAZAKAMANANIFIDINY, Lefitra faharoa

Andininy 3
- Ny Lehiben’ny Faritra Analamanga, ny Prefet de Police ho an’ny Tanànan’Antananarivo no miadidy , araka ny tandrify azy avy, ny fanatanterahana izao didim-panjakana izao izay havoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblikan’ny ary hampahafantarina amin’izay rehetra mety ilàna azy.

Antananarivo, ny 3 febroary 2009
Gervais RAKOTONIRINA

[updated] Avela mandositra i Andry Rajoelina fa tsy manaiky an'izany!

2009-02-03 @ 10:47 in Politika

Araka ny tsikaritra dia tsy misy mihitsy ny fahamehana avy amin'ny mpitondra fanjakana ara-dalàna amin'izao fotoana izao  hisambotra ny Ben'ny tanànan'Antananarivo. Raha ny fandehan'ny raharaha amin'izao fotoana izao dia mihena am-pitoerana toa fen'antitra ankehitriny ny manaraka azy manatrika eny amin'ny kianjan'ny 13 mey. Nandrasana fatratra ny ho fihetsiky ny mpitandro ny filaminana sy ny mpiasan'ny minisitera omaly alatsinainy ahafantarana hoe manaraka ny "baikon'iza" moa izy ireo. Velona amin'izay ny teny tamina radio anankiroa fa "tsy afa-nivoaka" ny mpiasa tany amin'ny minisitera satria "nambenan'ny" miaramila. Tsy naheno zavatra mampihomehy tahaka izany indray aho raha tamin'ny fotoana nahenoako izany fitenenana izany. Hay ve dia tena gadra tahaka izany indray ireto mpiasan'ny minisitera ireto nefa nalalaka mihitsy tsy hiditra ny birao akory. Hay ve izany dia tsy nanaraka ny baikon'ny mpitarika ny fitondrana tetezamita akory ireto mpitandro filaminana ireto. Hay ve mandritra izany fotoana izany dia mbola manana ny fahefany sy ny heriny soa aman-tsara ny governemantan-dRabemananjara Charles.

Maro ny olona no mitaky ny hisamborana ny Ben'ny tanànan'Antananarivo amin'izao fotoana izao eto Antananarivo, fa izay miresaka amiko kosa no anazaako fa tsy tombotsoan'ny fanjakana velively ny hisamborana azy amin'izao fotoana izao. Io moa dia araka ny efa nosoratako rahateo ao amin'ny hoe "Antso avo ho an'ny mpitondra, arovy i Andry Rajoelina" ary ifaliako indrindra fa teto amin'ny Maharesaka VETO no namoaka izany hevitra izany hovakian'ny hafa voalohany indrindra. Hanome hery ny TGV sy ny mpanaraka azy amin'ny fony manontolo indray izany... hita kosa fa misy fiantraikany ihany ny fahandrasana tantana ataon'ny mpitondra. Raha eny amin'ny toerana mbola ahafahana miresaka sy mivorivory amin'izao fotoana izao aloha dia tsy mahazo ny fon'ny mpankasitraka azy teo aloha nefa tsy "fanatika" intsony ny Ben'ny tanànan'Antananarivo. Ny mbola mahavariana izany amin'izao fotoana izao raha tsy maika ny hisambotra ny Ben'ny tanàna ny eny amin'ny Fitsarana sy ny any amin'ny Minisiteran'ny Fitsarana, dia ny tsy faneken'i Andry TGV velively fa "resy" izy na "andalam-paharesena". Vinaniana noho izany fa manana tanjona hafa hokendrena mihitsy izy.

Malaza hatry ny ela moa fa resaka fifanolanana teo amin'ny fianakaviana niitatra ho tonga eo amin'ny sehatry ny firenena firenena izy ity nefa andeha ajanona ho tsahotsaho hatrany izany. Hotazonina hatrany eto ny hoe manana tanjona tratrarina izy, efa nolazaina izany tany alohaloha tany fa mitady ho adinodino amin'izao fotoana izao. Mbola misalasala anefa aho hoe ny inona amin'ireto tanjona roa samihafa ato an-tsaiko ireto no tena izy sa izy roa miaraka mihitsy ve? Raha niteny ary i Andry omaly hariva tao amin'ny fitaovan-tseraserany fa efa miala any ny hanoloana ny Ben'ny tanàna ho delegasiona manokana dia gaga ihany ny tena. Raha ny fijeriko ny paikan'ny mpitondra amin'izao fotoana izao dia tsy maika amin'ny fanoloana ny Ben'ny tanàna izany ry zareo ary tsy tokony hiraparapa amin'izany mihitsy. Tetika avoakan'i Andry indray io filazana tsaho io, noho izany, hanintonana ny olona hiandany aminy indray... tsy nohamarinin'ny fitaovan-tserasera hafa mihitsy anefa io filazan'ny Ben'ny tanàna io. Miezaka ny mandrehatra afo hatrany i Andry saingy ho hita eo ihany ny tohiny. Lazain'ny radio don bosco manko amin'ny fotoana anoratako (12:12) fa mbola nihena (noho ny omaly) ihany ny olona tonga (noho ny faneriterena mahazo ny mpiasa!). Tanjona iray izany ny hanakorontanana hatrany ny toe-draharaha rehefa tsy hosamborina izy. Tsy hijanona amin'io mihitsy izy raha mbola misy mpanaraka etsy amin'ny 13 mey hatrany (ary ataoko fa tsy ho foana velively izany mpanaraka ny TGV izany).

Ny tanjona faharoa, na ny tena kendrena ao anatin'ny fanakorontanana araka izay tratra ny toe-draharaha politika amin'izao fotoana izao dia ny handiso ny fampilaharana an'i Madagasikara ho ao anatin'ny toerana 40 tsara tsidihan'ny mpizaha tany indrindra. Atao izay hialan'ny mpandraharaha vahiny (tsy frantsay?) rehetra eto Madagasikara, ary tsy hidiran'ny mpandraharaha hafa ho eto Madagasikara... mbola lesoka koa etsy andaniny ny angovo hampandehanana izay mety ho fandraharahana hatao eto Madagasikara. Fa ny tena mahamaika indrindra dia ny hanafoanana ny fivoriana faratampony (vovonana) roa izay kasaina hotontosaina eto Madagasikara amin'ity taona ity sy amin'ny taona ho avy. Raha izao kiry izao no jerena dia tsy ny hitantana ny firenena velively no kendreny (diso hevitra ny mpanao politika raha mino an'i Andry amin'izay foto-kevitra tetezamita izay) fa ny hampiatoana ny asa sy ny foto-drafitr'asa mifandraika amin'ny fandraisana ireo vovonana roa ireo, sy izay mety ho fampandrosoana ny firenena rehetra mandritra ny fe-potoana itondran-dRavalomanana. Nisy mpitantana foto-drafitrasa lehibe iray izay nahazo fandrahonana an-telefonina, tamin'ny sabotsy alina, hampiato avy hatrany ny asa ataony fa ny mpitondra tetezamita izao no mitantana ny firenena... Hatramin'izao fotoana izao izany aloha dia mbola tsy tratran'i Andry ny "hanasaziana" an'i Madagasikara tsy handray ireo vovonana (Afrikana sy mpiteny frantsay) roa ireo ka izany no hikirizany hatrany amin'ny diany ankehitriny. Mampanahy ihany anefa ny toe-draharaha fa efa misy mikitikitika mihitsy amin'izao fotoana izao ny hamindrana toerana ny vovonana hiala an'i Madagasikara... fa raha tontosa io famindran-toerana io dia "Nahazo ny fandreseny i Andry Rajoelina". Asa kosa aloha izay hevitrareo fa hevitro manokana io.

fanampiny: Mazava loatra fa tsy maintsy misy ny hevitra hafa mivoaka araka ny toe-draharaha. Efa naheno ity fanapahan-kevitra ny hanalana azy tsy ho Ben'ny tanàna intsony ity i Andry Rajoelina raha efa niresaka izany tamin'ny fitaovan-tseraserany. Eny , azo ekena hitsapana ny halalin'ny rano amin'izay ho fihetsehan'ny mpanohana ny TGV io fanapahan-kevitra noraisina io. Avy eo ho hita indray izay ho fandehan'ny raharaha. Ny manam-bava moa na inona na inona mitranga tsy maintsy mahita holazaina foana hamelezana ny mpitondra. Fa dia hafa tokoa ny nolazain'i Andry nandritra ny kabariny: "Ataovy raha sahy!" hoy ny teniny... mitovitovy amin'ilay fahadisoam-pitenenana nataon'ny filoham-pirenena ihany ka nampihetsika ny hambom-pon'ny TGV tamin'izany fotoana izany. Efa hanangana ny governemantany koa anie ny TGV sy ny tariny ka aleo hosahaniny aloha izany fa tsy mety ny ho sady Ben'ny tanàna no Prezidà e! sady tsy mifanaraka amin'ny lalàna misy rahateo koa izany toe-javatra idiran-dRajoelina izany. Dia tsy maintsy hitabataba ihany koa izy rehefa avy "nitety faritra" fa be tokoa ny olona mpanaraka azy.

Etsy ankilany, mbola namoaka "joker" hafa ihany koa ny TGV ary eto dia heveriko fa misy fifanarahana na tsirin-kevitra avy amin'ny mpialokaloka any Frantsa mihitsy handefasana an'i Rossy hanetsiketsika sy hanentana ny eny amin'ny 13 mey amin'ny Sabotsy 07 febroary 2009 ho avy izao, fotoana hametrahana ny governemanta tetezamita izay hatsangan'i Andry... Efa ela tsy nihira teto an-tanindrazana tokoa ny lehilahy ka tsy maintsy ho maro ny sokajin'olona ho voatarika amin'izany ka hahatsapa indray ny "ambiance" anaty fety fananganana governemanta mirazotra. Antsy roa lela ho an'i Andry sy ny tariny ihany anefa ny fakana an'i Rossy hihira izay. Efa nambarako teto amin'ny bolongana ihany fa efa mpandeha sy mpiverimberina tao amin'ny Radio Viva ihany izany hiran'i Rossy izany... ary hihamivaingana eo anatrehan'ny olona (araka ny eritreritry ny olona) fa tena Ratsiraka sy ny tariny mihitsy no ao ambadik'ilay zalahy ity. Ary ny fikarohana "joker" tahaka izao no mety nahatara lava an-dranamana tao ho ao ka efa dify hatrany ny mitataovovonana vao indro ny lehilahy miditra eny an-kianja. Fitsapana ho an'ny mpanohana an'i Andry mahita tsikelikely izay mipoitra any ambadika any koa ity fotoana ity... ary nolazainy moa fa ho avy miaraka amin'ny fanamiana ihany koa ny miaramila miara-dia aminy. Enga anie ho miaramila am-perinasa no ho tonga eo fa tsy miaramila misotro ronono toy izay tsikaritra tamin'ny 1991 (vao 18 taona ialahy amin'ity taona ity raha teraka tamin'izany taona izany).

Raha izay no tarafina dia samy tsy maika hamita ny raharaha haingana indray ny roa tonta fa samy miandry hoe izay leo voalohany eo fotsiny. Manontany tena ihany aho hoe dia tsy hihetsika mihitsy ve ny mpanohana ny filoham-pirenena amin'izao fotoana izao. Mieritreritra aho fa fotoana ihany koa io amin'ny Sabotsy 7 febroary io hanehoany ny hamaroany sy ny tanjany satria tsy maintsy ho roboka amin'i Rossy ihany ireo mpanohana ny TGV fa tsy hitetateta hanakorontana toy ny tamin'ny alahady 25 janoary 2009 iny. Fotoana mifanindry ihany no tena mety amin'io fotoana io fa tsy hoe alahady indray izay hananan'ny TGV fotoana hanakorontanana ny tanàna sy ny firenena.

Fa mahavariana dia mahavariana ny tenin'i Andry nandritra ny valandresaka nilaza ny masoivoho vahiny rehetra eto Madagasikara :"tsy hivoaboaka intsony fandrao misy loza manjo azy ireo (?)". Loza...


jentilisa 03 febroary 2009

Ahoana indray ny aty mandra-piandry ny ampitso sy mbola misy ve ny FFKM?

2009-02-01 @ 22:00 in Andavanandro

Efa miomana avokoa ny rehetra mandra-pahatongan'ny rahampitso. Samy manana ny fiomanany. Raha nody aho ny zoma alina teo dia maromaro ihany ny toera-mpivarotana somary ngezangeza ao afovoan-tanàna tahaka an'i Behoririka sy Antanimena iny no manao varavarana maro sosona, na ny marina kokoa mamono tanteraka ny varavarany. Ahoana moa izany?

Efa nahita ny hakingan'ny mpitarika ny fandrobana avokoa izay somary naharaka fa toy ny tsinontsinona na dia ireny varavarana vy, na misokatra amin'ny tolana ankavia sy ankavanana izany na ireny vita vahiny akatona avy any ambony hidina mankany ambany ireny. Efa katrokatroka tokoa angaha moa no atao ka tsy miraharaha sao misy mandre. Ankehitriny efa miomana ny tsy hivarotra mandritra ny fotoana maharitra ny ankamaroan'izy ireny mahita ny toe-draharaha eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. "Souder"-na fefy vy mihitsy ireo varavarana ka rehefa milamina mihitsy ny tanàna (oviana moa izany? rehefa mifampihazohazo tsy mifanantona ny roa tonta tokony hamita azy haingana izay mahavita, nefa indrisy fa tsy maintsy hisy aina afoy ve amin'izany?) vao esorina ireny fefy vy ireny.

Etsy ankilan'izany dia maromaro ihany ireo olona lazaina hoe sahirana no mivorivory na mipetrapetraka na matoritory ampitan'ireny toeram-pivarotana mbola tsy vaky tamin'ny herinandro ireny... Manantena an-dry zalahy "mpamoha trano" nefa tsy haka na inona na inona akory fa mandoro izay fivarotana avy norobain'ireo madinika ireo fotsiny avy eo, ireny no toa andrasany toy ny Mesia... indrisy... tena potika tanteraka ny toe-tsain'ny maro amin'izy ireny. Tena tafiditra lalina tamin'ny maro amin'izy ireo, araka ny tombana nataoko, ny zo hangalatra sy hamaky trano fivarotana satria noana sy ratsy na tsy misy trano ipetrahana. Ohatra iray ny tabataba miaraka amin'ny teny ratsy sy ompa tsy tafala anaty resaka, teo akaikin'ny toeram-piasako nataona lehilahy iray nanao hoe: "Ordinateur" ve no nangalarina dia tadiavin-dry zalahy hogadraina? Nefa "ordinateur" tsy misy dikany iny! Ankona avokoa ireo hafa niady hevitra taminy... matetika moa ny avo vava sy mampiseho hatezerana hatrany no manana ny rariny rehefa amin'ny fotoana tahaka ireny.

Noho ny fandranitana sy ny fandragitana iainana isan'andro avy amin'ny fampielezam-peo ve fa efa mora taitran'ny vava tsy ambina ny olona amin'izao fotoana izao. Tany amin'ny fiara fitarerana iray (119 mazda hiala an'i 67ha) dia nisy lehilahy iray nipetraka eo amin'ny seza azo atsangana manakaiky ny varavarambe fandalovan'ny olona hipetraka any aoriana satria toerana akaiky hoe no itodiany (Andavamamba). Misy ary olona iray te-hitsofoka any aoriana any, niteny azy ilay mpampandroso hoe mba mitsangàna aza fady ramose hidiran'ny olona raha tsy hifindra any aoriana ianao... fa tsy nety ny anao lahy sady tsy namaly akory izy. Namerina niteny ilay mpampandroso olona fa novaliany boraingona amin'izay maninona raha eo aloha eo amin'ny seza volamena... nefa ny seza any aoriana amin'io mbola malalaka be. Mba tsy mety kosa izany, hoy ilay mpampandroso; tonga dia avo vava sy nanompaompa amin'izay ranamana nitsangana niala ny fiara ary nahateny hoe "dorako eo io fiara io!". Taitra ny saofera teo akaiky teo ka nanao hoe: "avereno hoe ny vavanao?", naveriny mafimafy kokoa hoe "dorako eo io fiara io!". Tsitapitapitr'izay fa feno olona nanodidina an-dranamana (tsy maintsy hoe ny mpanera no maro amin'ireo) ka niteny ny iray nanao hoe: "Ingahy izany no atao sorona!" Nahita ny zaa-niseho ranamana fa nitsorika nitsoaka tany anaty olona haingana...

Mahavariana ihany koa tamin'ny zoma ilay nodiako efa notantaraiko tery ambony iny ohatra fa lasa misy manao azy ho matanjaka izany ny sasany. Nitondra elo moa izaho nody tamin'io fotoana io satria fahavaratra rahateo ny andro. Indreo misy tokony ho enin-dahy eo ho eo manery ny lalana (elakela-trano) mitabataba toy ny azy ireo irery ny lalana amin'io fotoana io. Bokobokony mihitsy ny roa amin'izy ireo. Hifanena amin-dry zalahy aho amin'io ary sendra nentiko toy ny filanjana basy an-tsoroka iny indrindra ny elobeko. Somary maizina ihany moa ny andro fa hita ho tsy handefitra hanome lalana ry zalahy fa toa manery ny mifanena aminy hitampify manara-drindrina. Tsy nampidiriko tao an-tsaiko mihitsy ny hoe "mpanendaka" ry zalahy ireto fa sady tsy nihemotra aho no tsy nanao amboletra nefa nisisika teo afovoan-dry zalahy rehefa nifandona tamin-dry zalahy bokony roa teo aloha... tena hitako nisy niherika mihitsy ry zalahy nanaraka avy eo no tsy nahateny afa-tsy hoe "Oay le...!" Ny ahy ny lalako no notohizako sady tsy niherika akory aho, efa mpody alina rahateo aho. Indraindray ilaina ihany ilay fahasahiana kely fa mety ho azavatra hafa kokoa no nahazo raha nihemotra teo, ka heveriny fa "voatsindry" ianao.

Resaka fahasahiana ihany, hitako tena sahy mihitsy ry zalahy "kômandô" nandroaka ny "sono" sy ny seza sasantsasany teny amin'ny 13 mey tamin'ny Asabotsy teo iny. Tsipalotro tamin'ny fahitalavitra mihitsy ny fitsoahan'ny olona efa tonga teo rehefa tonga ry zalahy ka anisany ny "securité civile" maro efa teny an-toerana. Tena tratran'ny tampoka tokoa angaha ny olona fa noporofoin'ny Commando tamin'io fotoana io fa azony noravana tanteraka ny fivoriana teny raha tiany izany. Manao ramatahora fotsiny ireny, hoy ny mpanao gazety nanentana sy avo vava, satria "tsy hitifitra mihitsy" (hay fantany izany?) ka toy ny mandrisika ny olona hivory aza 'tena marina tokoa aloah izay fomba fihevitra izay eo amin'ny Malagasy olon'ny fo). Hitako tena "malemy" kosa ireo tena avy amin'ny "Emmo nat" ka nanaiky hiverin-dalana noho ny rodorodon-dry zalahy "mbola vitsy" tamin'ny nahatongavany tokony ho tamin'ny folo ora teo ho eo.

Fahadisoana lehibe kosa araka ny fijeriko manokana ny antso nataon'ny minisitry ny fampianarana milaza fa mianatra avokoa ny mpianatra amin'ny sekolim-panjakana rahampitso alatsinainy, afa-tsy hoe efa misy miaramila mahambina azy tsara angaha, nefa mbola tsy hitombina mihitsy ny sain'ny mpianatra sy ny mpampianatra raha tamy manatona azy amin'ny kiririoka ny "mpandrava". Mety ihany koa ho teti-panorona hamiliana ny mety ho "fanafihana" ny minisitera rahampitso... nefa hay moa mbola tsy tafatsangana ny minisitera tetezamita fa mety mbola ny hanonona izany no hataony rahampitso fa andro manaraka ny "fanafihana". Efa nanome baiko moa ny "mpitondra tetezamita" fa mikatona avokoa ny minisitera rehetra rahampitso alatsinainy, ka omeny taratasy na didy fampisamborana izay mpiasa mbola mitonatonana any amin'ny minisitera any (aza mikaroka fa tsy ho hitanao ao amin'ny kabarin'i Andry Rajoelina napetrak'i Jeannot Ramambazafy ao amin'i Iarivo-town izany fa henonay tsara kosa). Tena nanaitra ahy mihitsy io teny io satria ny tao an-tsaiko voalohany dia hoe: "mampigadra hay ny miasa ry zalahy!"... angamba teny nibolisatra iny ka izay no tsy nampidiran'ny mpanao gazety azy.

Mandeha antsisitsisiny eny ihany moa ny resaka izay mety ho fanaovana ramatahora hatrany. Any Toamasina, dia notetezin'ny miaramila avokoa ny trano hazo manodidina ny seranan-tsambo nanoroany hevitra ireo olona ireo hitady fialofana hafa satria tsy haharo amin'ny bala mihitsy ny rindrina hazo, trano manana rindrina vato na beton izany no hisitrihana. Malazalaza manko fa mety hisy ny fanafihana ny seranana rahampitso ka efa nahazo baiko ny mpitandro ny filaminana rehetra fa tsy misy sangy intsony ity, tsy maintsy arovana amin'ny fomba rehetra ny seranana na iza ho avy eo na iza.  

Farany nefa dia ao anaty lohateny mazava tsara, nisy fotoam-bavaka ho an'ny firenena notontosain'ny FFKM tao amin'ny FJKM Isotry Fitiavana androany alahady 1 febroary 2009 nanomboka tamin'ny 3 ora tolakandro. Feno tokoa ny Fiangonana saingy voamarika mazava tsara ny tsy fisian'ny mpitondra fivavahana katolika tery amin'ny polipitra. Marina fa nanokana Eveka tany Toamasina ny Katolika androany nefa mahasanganehana ihany ny tsy nahitana na dia iray aza avy amin'ny katolika amin'ny raharaha toy itony. Manomboka miala amin'ny fampiraisan'ny FFKM ve ny EKAR izay andry iray lehibe tokoa amin'ity fiombonana ity? Mbola azo lazaina hoe FFKM ve ny FFKM raha tsy eo intsony ny EKAR... Naninona raha natao fotsiny hoe FFPM raha tsy teo ny Katolika? sa lasa voailika ho azy ve ny Anglikana? Raha mitohy izao fahabangan'ny EKAR izao ao amin'ny FFKM dia tsy ho ela intsony ny hitovian'endriky ny FFKM amin'ny COE manerantany (Fiombonam-ben'ny fiangonana rehetra manerantany ankoatra ny ECAR sy ny Orthodox sasantsasany raha tsy diso aho... ka mandrafitra ny atao hoe protestanta amin'ny ankapobeny izay misy ny Pentekotista sy ny Adantista ihany koa). Saiky nanatrika io fotoana io moa ny ankamaroan'ny mpitondra ara-dalàna amin'izao fotoana izao fa tsy hita na tsy nasehon'ny manao gazety nojerena kosa ny avy amin'ny "tetezamita"... na izaho mihitsy no tsy mahalala an-dry zalahy.



jentilisa, 01 febroary 2009

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Febroary 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox