Ny ako sy ny hevitra momba ny fankalazana ny 26 jona 2009 -fizarana voalohany-

2009-06-28 @ 22:31 in Ankapobeny

Efa nandalo sahady ny andro fahatsiarovana ny nitsingerenan'ny namerenana tamin'i Madagasikara ny fahaleovantenany. Tsorina fa tsy dia nisy loatra ny fiantraikan'izany tamiko, na dia sambany aza, taorian'ny 10 taona mahery be niasako ao amin'ny orinasa iasako ankehitriny no mba tsy niasanay io andro fety io. Ny hany tombony dia mba afaka nanaraka tsara ny zavamisy araka izay tratran'ny heriko aho, nefa dia lasa tsy nisakafo atoandro tao an-trano indray saingy misy dia misy ny antony.



Ny andro fiomanana

Mieritreritra ny hanao fety makotroka ny mpanongam-panjakana mifehy ny firenena amin'izao fotoana izao, sady talentany mihitsy io taranja iray io, ka nanapatapaka lalana vitsivitsy azo heverina fa afovoan-tanàna nanomboka ny tolakandron'ny zoma 25 jona 2009. Tratran'izany fahatapahana izany ohatra ny arabe midadasika manoloana ny fiaro Ampefiloha sy ny arabe etsy Soarano hihazo ny Gara iny. Mazava loatra fa lasa any ambadika (andrefana) ny Carlton ny lalana rehefa hihazo an'i Mahamasina sy avy any Mahamasina ary lasa lalana ifanenana ny arabe manoloana ny biraon'ny Boriborintany voalohany Ambodifilao Soarano. Raha tsentsina tanteraka noho ny tranga tahaka izao io lalan'ny fiara manoloana ny Boriborintany voalohany io ny alarobia 24 jona 2009 tolakandro noho ny fifamezivezen'ny fiara sy fahafenoan'ny mpivarotra amoron-dalana dia zara raha nisy fiara teo ny ampitso. Fay daholo angamba ny mpitondra fiara rehetra ka naleo najanona an-trano io fitaovam-pitaterana io. Nahagaga mihitsy fa lasa toy ny tolakandron'ny andro tsy fiasana ny afovoan-tanàna tetsy Analakely, Tsaralalàna ary Soarano tamin'io fotoana io. Tsy misy fiara mifamezivezy firy fa ny mpandeha an-tongotra no hany manjaka ary mahazo mandeha afovoan'arabe tsy misy ahiahy aza. Mba mihena izany setroka mpandoto tontolo iainana.

Ny lalana fotsiny anefa no nobahanana, fa araka ny fijeriko manokana dia tsy nahazo olona betsaka akory ilay fampisehoana atao eo anoloan'ny gara. Zara raha nahafeno ny fitobian'ny fiara manatrika ny tsangambaton'ny fahalalahan-gazety ireo manatrika dia izay. Efa fambara ho an'ny mpikarakara izay tranga izay. Azo heverina ihany anefa fa tsy te-hifangaroharo amina olona mampiahiahy izay mety ho liana hijery. Iza moa no tsy  mahalala fa na dia tamin'ireny tolona nataon-dry zalahy tamin'ny voalohan'ny taona teo amin'ny kianjan'ny 13 mey ireny aza dia tsy menatra mihitsy ireo mpangaro-paosy manao ny asany tanaty olona? Toa ry zalahy indray manko no nameno ny lohalaharana sy tao anaty vahoaka somary mba mifanety ao. Tsy maintsy mihatakataka somary manao tazan-davitra noho izany izay mbola te-hijery fampisehoana maimai-poana.

Nilatsaka ihany ny aizina, efa tsindrian-daona sahady ireo izay te-hijery afomanga hihazo an'Anosy toerana mahazatra ho amin'izany karazana fampisehoana izany. Betsaka ihany koa anefa mieritreritra ny hivezivezy handeha amin-toeran-kafa fa matahotra ihany fandrao misy baomba mipoaka any anaty vahoaka any. Misy anefa ny fanao hita fa mivandravandra ny fahapotehany rehefa mandeha mivezivezy teny afovoan-tanàna ianao amin'ity alina mialoha ny fetim-pirenena ity. Tsy nahita ankizy nampilaharina amin'ny arendrina taratasy intsony aho. Nahatsikaritra ihany koa ny maro fa ifampitadiavana mihitsy ny arendrina taratasy tamin'ity indray mitoraka ity. Izaho manokana dia tsy nahatsipalotra mpivarotra azy io mihitsy fa dia ny olom-pantatra ihany no mifanoro amin'izay ahitana ny mpivarotra azy. Ireny piapiaka shinoa tsy dia tiako ireny no betsaka nefa tsy dia mbola maharesy lahatra ahy aloha izy ireny. Ny arendrina manko mila ilay afo mihitsy fa tsy hoe hazavana fotsiny ihany. Ahoana moa izany?



Fa inona ny lanjan'ny arendrina?

[arendrina]
Tamin'ny andro fahagasy dia nandritra ny voalohan'ny taona (andro fandroana ihany koa no nilazana azy) no nitondrana ny arendrina manerana ny tanàna na nivezivezena. Ny afo amin'ny arendrina tamin'izany fotoana izany no endriky ny fandroahana ny fanahy ratsy mialoha ny idirana ny taombaovao indray. Fotoan-dehibe indrindra teto anivontany ny fandroana satria mankany an-tanindrazany hihaona amin'ny havana mpiray fiaviana avokoa ireo mila ravinahitra rehetra. Nisy ny fotoana manara-bolana ny andro ankalazana ny andro fandroana io, tamin'ny fotoana nanjakan'i Ranavalona fahatelo kosa dia naraikitra ho 22 novambra fitsingerenan'ny andro nahaterahany io andro fandroana io. Rehefa zanatany frantsay isika dia nafindra ho 14 jolay, fetim-pirenena frantsay, io andro fandroana io. Mazava loatra fa lasa fanao ny fitondrana arendrina rehefa tonga ny fetim-pirenena frantsay, ary nandritra ny fanjahanantany no nihafoana tsikelikely ny lazan'ny fandroana, ka lasa zavatra mifandraika amin'ny fivavahan-drazana sisa no ankalazana ny Alahamadibe na ny Taombaovao malagasy izay tsy ifanarahan'ny mpandala azy intsony ankehitriny ny andro ankalazana azy.

Tamin'ny fiandohan'ny niverenan'ny fahaleovantena malagasy dia mbola ilay arendrina fahagasy izay nentina tamin'ny alalan'ny hazo izay misy bozaka na vorodamba lemana jabora arehitra eny amin'ny lohany no nampiasaina fa noho ny loto navelany ny ampitso dia nosoloin'ny arendrina taratasy (antsoina hoe fanala) tsikelikely ny toerany. Tsy dia niteraka olana loatra ho an'ny fiaraha-monina ny nivadihan'io arendrina io ho fanala, satria hitan'ny rehetra fa tsy misy ny loto aterany nefa mahafinaritra ihany koa ny mijery azy ireny maro dia maro sy amin'ny loko isan-karazany.
Ataoko fa maro dia maro amintsika no mbola mankafy ireny fanala ireny. Ao anaty taratasy nokalian'ny mpanao asa-tanana no mandrakotra ny labozia misy afo mirehitra, entina mody an-trano dieny mbola misy afo fa ny olona misaona no tsy mitondra afo mody. Noho izay endrika sy hevitra izay no tsy itiavako loatra ny piapiaka shinoa satria hazavana fotsiny no entin'iny fa tsy taratra mihitsy ilay afo fandroahana fanahy ratsy, marina fa angovo no mamelona ny jiron'ireny piapiaka shinoa ireny fa ilay afo hita maso no ilaina. Mazava loatra fa matahotra ny tsy hahalafo ny mpanao asa-tanana matoa tsy niraika loatra tamin'ny fanamboarana fanala na arendrina taratasy. Tamin'izahay mbola kely ihany koa dia nahafinaritra anay ny nanao jiro kapoaka, izahay ihany no nanamboatra azy ka nisy aza ny fotoana ny ankizilahy no mitondra jiro kapoaka toy ireny mitondra môtô an'eritreritra ireny fa ny ankizivavy kosa no mitondra arendrina.



Fa inona no nandrava ny tarazon'ny fitondrana arendrina?

Tsy dia mandehandeha fotsiny amin'izao io faharavan'ny tarazo iray manavaka ny fetin'ny fahaleovantena io eto Antananarivo. Voalohany amin'izany aloha ny faharavana ateraky ny fiainana an-tanan-dehibe. Afaka miara-monina tsy mifandray ny mpifanolo-bodi-rindrina ka ny fifanenana an-dalana ihany sisa no ifankafantarana hoe itsy mipetraka eto akaikinay. Tsy misy intsony noho izany ny fihavanana mafy sy akaiky hany ka tsy hita loatra ny fiaraha-manatontosa zavatra iray tahaka ny miara-mandahatra ny ankizy iray tanàna. Fahabangana iray ihany koa ny tsy fisiana mpitarika na olona manantalenta amin'ny fitarihana (leadership), na olona manetry tena mamolavola fandaharam-potoana ho an'ny fokontany ohatra. Tsy nisy ihany koa na tsy naheno aho na tsy nahita fiomanana ho amin'ny fankalazana ity fetim-pirenena ity isam-pokontany. Tena samy maka ho azy ny olona... tafiditra tsara ao amin'ny fiainana an-tanandehibe samy maka ho azy ny mpiara-monina.

Faharoa manaraka izany ny fahasamihafan-kevitra miteraka fiatakatahana. Na ahoana na ahoana, monina aty amin'ny faritra ahitana ny foko rehetra manerana an'i Madagasikara ny tena dia soritra ihany ny fisarahambazana eo amin'ny mpiara-monina. Lasa manampy ny fahasamihafana foko na fiaviana sy fivavahana ny tsy fitoviam-pijery eo amin'ny sehatra politika. Tsy vitan'ny hoe zary miara-monina sisa izany ny iray fokontany fa misy fifampiandaniana miafina ihany koa ary sakana lehibe ho amin'ny fiaraha-manao zavatra izany toe-javatra izany. Mampibaribary ny mahalatsaka an-katerena ny fiaraha-monina mihitsy ity fety indray mitoraka ity ka tsy tokony odiana fanina velively.

Fahatelo manaraka izany indray ny fanjakan'ny toe-tsaina kamo sy tsy vonona hikaroka fa ny handray na hividy vonona fotsiny. Ao anatin'ny fiainana an-tanandehibe ihany dia ny fifanakalozambarotra no tena manjaka. Noho ny fieritreretana mandrakariva ao anaty ao fa "sarotra ny fiainana" nefa tsy te-hisahirana dia izay hita fa mora ihany no vidiana. Tsy mahagaga raha amin'ny amin'ny piapiaka shinoa kokoa no ironan'ny maro. Tsikaritro ihany anefa fa tsy ny ankizy rehetra no mitondra arendrina na piapiaka fa toa solontena ihany no mitondra azy. Tsy resaka solontena velively anefa no anaovana azy ity fa ny rehetra mihitsy no tokony hitondra. Rehefa miteny hoe ny rehetra aho dia ny lehibe ihany koa tafiditra ao anatin'izany. Noho ny tsy fahalalana ny heviny intsony angamba dia lasa ny ankizy sisa no ampitondrana arendrina na fanala. Fantaro fa misy dia misy ihany koa ny mahafinaritra ny maso tadiavina amin'itony fitondrana arendrina itony ka izay no ikarohana izay hahamaro ny mitondra azy fa tsy ny hahavitsy azy velively. Io fahakamoana io ihany koa no nandrava tsikelikely ny tarazon'ny fitondran'ny olondehibe indrindra indrindra ny arendrina. Toe-tsaina manimba ve ny fieritreretana hoe efa lehibe aho ka tsy tokony hitondra arendrina intsony, na hibaikobaiko sisa? Indrisy!

Ary ny hitako farany fa nandrava ny tarazon'ny fitondrana arendrina ihany koa dia ny fahamehana hijery afomanga rehefa amin'ny alina. Tsy ilay miara-mirona mitondra arendrina mandray anjara amin'ny fanomezana fahafinaretana intsony no mahamaika ny olona fa ny hijery fahafinaretana ataon'ny mpitondra na mpitantana. Mampidi-doza eo amin'ny tarazo izay fomba fironan'ny saina izay, ary azo itarafana ihany koa fa tsy te-handray fanapahan-kevitra na handray andrakitra ny olona fa ny hafa no andrasany, nefa be fialonana mandrava efa rehefa misondrotra ny hafa avy eo. Mihevitra aho fa ny mahatonga izany fironana izany ny fandefasana mialoha loatra ny afomanga. Lasa tsy miraika loatra ny hanao arendrina ny olona rehefa manakaiky loatra ny fotoana fandefasana afomanga fa ny hijery no mahadondona. Sosokevitro noho izany ny tokony hanemorana araka izay azo atao ny fandefasana ity afomanga ity. Maninona moa raha amin'ny sivy ora alina any mihitsy vao alefa? izany hoe mba efa tapi-mihinana ny olona amin'izany fotoana izany, mba misy ihany koa ny fotoana andehandehanana itondrana ny arendrina. Aoka kosa tsy ho fialana bala ny filazana fa ny fandrosoana no tsy tokony hanaovana arendrina intsony.



Mandritra ny alina fiomanana

Hiverina amin'ny fitantarana indray aho taorian'izay fanazavana lavalava izay. Tsy toy ny teo aloha ny mpijery afomanga tetsy Anosy tamin'ity indray mitoraka ity. Tena vitsy tsy araka ny nanampoizana azy ihany koa ny mpijery afomanga. Nalalaka ry zareo ny arabe manodidina a! azon'ny fiara nifamezivezena mihitsy raha navela handeha ny fiara. Gaga mbamin'ny avy any amin'ny toeran-kafa manararaotra hijery ny afomangan'ny renivohitra. Ry zareo aza dia loa-bava niteny hoe vitsy olona. Ny Afomanga ve moa tsy hahafinaritra mandrakariva? Fa vantany vao tapitra hoy ry zareo (izahay aloha tsy niaraka tamin'izy ireo fa tsy niraharaha izay afomanga izahay tato an-trano... na ny nijery tany amin'ny terrasse aza tsy natao) ilay afomanga dia toy ny olona mahana izany avokoa izy rehetra nanao dia maika nody. Nanjary nampatahotra tampoka ny nody, tahotra inona? karazan'olona mampatahotra ve? Sa lasa mampanahy ny fodiana fa tsy hisy ny hiara-dalana mandrapahatonga any amin'ny fonenana?

Raha tsy nahafahana nihetsika mihitsy ny arabe hodiana rehefa nisy ny afomanga tany aloha tany dia gaga izahay fa vetivety ry zareo dia efa tonga taty an-tano sahady nefa dia an-tongotra no nataon-dry zareo. Mety ho lesoka lehibe tamin'ity indray mitoraka ity, ankoatra ny tsipoapoaka hafakely ny tsy nahafahan'ny fiara nivezivezy loatra nandritra ny atoandro, tsy noho ny fitohanana fa noho ny fanapahan-kevitry ny mpitantana ny tanàna tia manao...barazy nefa tsy mahazaka akory ny barazy ataon'ny hafa. Mazava loatra fa tsy hisy hitondra fiara lavitra azy tsy misy miambina amin'ny alina ireo zatra nijery afomanga nipetraka eny ambony fiara fahiny. Eo ihany koa ny fifampiahiahiana. Fa ny tena mahonena dia ny teo Analakely. Tsy mahalala ny zavatra tsara sy nokolokoloina intsony ny olona mpankeny, tsy mahagaga raha maty hitsaka ny bozaka mba nisy endriny ihany. Ny fofona manodidina ny Lapan'ny tanàna mbola eo ampanamboarana moa dia mampahatsiahy ilay CUA antsoina hoe Commune Urinoire d'Antananarivo fa tsy Commune Urbaine d'Antananarivo. Tena tsy ampy isa mihitsy moa ny trano fidiovana? Eo ambadiky ny Lapan'ny tanàna io indrindra manko dia misy efitrano laalava fidiovana fa ilay mandoa vola mihitsy angamba aloha no tsy tian'ireto mpirevy amin'ny alina ireto. Izany anie, na aiza na aiza no misy ireto mpirevy ireto dia manjono an-tanety avokoa ny lehilahy e! (mivalandrano no tiako lazaina anareo sao tsy azonareo: mbola an-dalana hody aho nandritra ny afomanga ary izany no nahitako ny fanaon'ireo mpirevy ireo. Sarotra aloha ny tsy hiteny fa ireo HEVERINA ho sarangan'ny madinika no tena maro an'isa amin'ny olona mpivezivezy ary manahy aza aho fa tahaka ny anaovany ny any aminy tsy misy toeram-pidiovana manokana no anaovany ny tanàna rehetra 'sady efa mihevitra ny tenany ho tompon'ny tanàna ihany koa ry zareo. Raha ny resaka ankalamanjana aloha dia ry zareo tanteraka no tompon'ny fety.

Efa lava loatra tsy araka izay niheverako azy sahady ny lahatsoratra ka aleo asiana fizarany fa andro manaraka ny andron'ny Zoma! na izany aza dia efa vonona ny fandefasako vaovao tapatapany ao amin'ny twitter. Ary efa misy andian-tsary rahateo navoakako ao amin'ny tahirintsary jona09.



jentilisa 29 jona 2009, amin'ny 00:30

Sao diso fandraisana ny atao hoe tsy mananga-tsaina?

2009-06-24 @ 11:30 in Ankapobeny

Mahoraka dia mahoraka ankehitriny ny fanentanana hananga-tsaina, na sehatra fiainana andavanandro na eto an-tserasera. Amin'ny sehatra andavanandro dia hita tokoa fa mihamaro ny mananga-tsaina nefa misy dia misy ny midrikina toa anay tsy mety hananga-tsaina, ary ampiako hoe arantiranty an-trano. Tsy hoe tsy miraharaha ny fiandrianam-pirenena mihitsy izahay raha tsy mananga-tsaina ary tsy mampaninona anay na dia rabirabiana aza izahay hoe tsy misy saina. Tsoriko fa misy dia misy ny antony tsy hananganay saina ary raha jerena ny dokambarotra an-gazety dia mibaribary amiko ny tian'ity fitondrana ity asongadina fa raha eo ihany ilay teny hoe fahaleovantena dia ny fetin'ny foloalindahy no tena asongadiny.

Voalohany aloha, efa mahazatra ny hevitra hoe "tsy manaiky ny fijoroan'ity fanjakana ity izahay" no tsy hananganana saina sy ny hoe "miverina ho zanatany indray" ka inona no antony hananganana saina (amin'ny trano). Fa misy dia misy ihany koa ny fahitako fa tsy manaiky ny maha-anay anay ihany koa ity fitondrana ity. Raha miteny aho hoe izahay dia ny lehilahy tsy foloalindahy izany. Jereo ny dokambarotra: rehefa tsy foloalindahy sy ry zareo dia tsy lehilahy! Sarin-jaza amam-behivavy ihany no tena asongadina (hita hatraty amin'ny serasera fa ny vehivavy no tena tsy manaiky izany tsy mananga-tsaina izany ary fantatry ry zareo izany, misy anabavy iray izay aza moa tena masiaka dia masiaka tamiko mihitsy nefa aho tsy nanery azy velively na hanisy teny sompirana hanaisotra ny saina efa natsangany (an-trano).

Raha atsangana amin'ny trano ihany koa ny saina, dia rehareha sy fijoroana amin'ny mahamalagasy izany. Marina dia marina tokoa izany! mirehareha amin'ny sainy ihany koa ny Palestiniana saingy tsy midika velively izany fa mahaleotena ara-politika i Palestina. Afaka mirehareha ihany koa isika fa manana sainam-pirenena. Ny sainam-pirenena no fanehoana hita maso ny fiandrianam-pirenena (symbole) fa inona kosa no tena manamarika izany fiandrianam-pirenena izany? Koa aza tsiny indrindra raha tsy mananga-tsaina aho fa tsy hitako izany fiandrianam-pirenena izany rehefa dinihina fa ny tombotsoa frantsay no tena nandray anjara mavitrika tamin'ny fanonganam-panjakana, ary mba manana ny tombotsoany amin'izany ihany koa ny Amerikana. Ny manahirana manko, ny Lalampanorenana na ny Dinampirenena no mametraka fa ny lokon'ny saina dia fotsy mena maitso, koa nahoana no faly ianao manangana io saina io nefa ny Lalampanorenana mamaritra ny lokon'io saina ahantonao? Manao zavatra tsy ampiheverana fa entin'ny fahazarana fotsiny anie izany ianao e! Mariho mazava tsara fa azo ovaina ny lokon'io saina io raha izany no tondroin'ny Lalampanorenana.

Aoka ihany koa holazaina fa tsy mety mihitsy ity filazana hoe maitso fotsy mena ity ny fanonona ny lokon'ny sainam-pirenena malagasy. Tsy saina Italiana akory izy io fa ny loko manaraka ny taho no tononina aloha (iny tsinona no ankavia amin'ny sary ary rehefa mamaky soratra isika dia avy any ankavia no miankavanana, dia toy izany ihany koa no tokony hamakiana ny sary), izany no tokony hanononana ny loko voalohany ho fotsy; dia avy eo ambony ihany koa no tononina vao midina ambany tahaka ny mamaky lahatsoratra ihany ka izay no anononana ny mena alohan'ny maitso. Noho ny fahazarana tsy manisy fisainana no mahatonga ny teniteny foana hoe maitso fotsy mena. Eo ihany koa ny mety ho fahazaran'ny teo aloha manonona ny manga fotsy mena fony mbola nozanahina mivantana i Madagasikara. Dia zatra ho azy ny hoe maitso fotsy mena avy eo nefa tsy mifanaraka amin'ny fomba famaky ny saina mihitsy io mahazatra ny maro io. Tokony hisy lanjany ihany koa izay lazaiko io. Dia lasa fahazarana tsy ahalalana izay tena antony ihany koa ilay mananga-tsaina an-trano.

Etsy ankilan'izany, tsy maintsy lazaina fa tsy hoe mijanona hatreo ny resaka. Mitondra ny sainam-pirenena kosa izahay eny amin'ny fihetsiketsehana izay ataonay. Mitondra ny anjara birikinay izahay amin'ny fanehoanay ny fankalazana ny fetin'ny fahaleovantena. An-tanana no anangananay ny sainam-pirenena satria mbola mila averina izany fiandrianam-pirenena izany. Hevitro manokana, matoa mananga-tsaina amin'ny tranony ny olona dia mirehareha amin'ny toerana misy an'i Madagasikara amin'izao fotoana izao izy! sanatria mananganagam-poana tsy amin'ny antony ny mariky ny fiandrianam-pirenena (ny saina) nefa ny fototra mamaritra izany fiandrianam-pirenena izany nahantona amin'izao fotoana izao. Raha entina an-tanana kosa ny sainam-pirenena dia mbola mandeha mikaroka na mamerina izany fiandrianam-pirenena izany izay mitondra na mankasitraka izany fitondrana ny sainam-pirenena an-tanana izany.


Hita tsara fa naato avokoa ny andrim-panjakana voasoratry ny ny Lalampanorenana rehetra, eo aloha ny Prezidansa, dia eo ihany koa ny antenimiera roa tonta, dia efa norenesintsika ihany koa fa nosoloina ny mpikambana ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana... asa mifanaraka amin'ny inona ao amin'ny Lalampanorenana ihany koa no nanaovana izany fanovana izany. Voahosihosy tanteraka ny Lalapanorenana mandrafitra ny fiandrianam-pirenen'i Madagasikara. Tsy misy fanajana ilay Lalampanorenana intsony ka moa tsy karazana fanesoesoana ny fananganana ny saina fotsy mena maitso nefa ny lalàna fototra mametraka izany lokontsaina izany tsy hajaina? Izay no ilazako indray hoe entinay an-tanana indray ny saina rehefa manao fihetsiketsehana izahay entinay hamerenana ny fiandrianam-pirenena no anton'izany. Tolona ny anay ary izay ny fomba fijerinay.

Mamarana izany dia indreo koa misy sary vitsivitsy maneho ny fandravana natao tamin'ity taona ity ka maharesy lahatra anay fa haverina ny fiandrianam-pirenena amin'ny fitondranay ny sainam-pirenena an-tanana fa tsy ajoro an-trano izay fanekena ny esoeso ataon-dry zalahy tsy manaja ny Lalapanorenana akory. Sary eo Behoririka io naseho io ary toerana iray no niverimberenana nalaina sary.

 

 

Nandrovi-tsihy ny miaramila saingy tsy rava ny tolona

2009-06-22 @ 05:01 in Politika

Mbola tany am-pividianana ny carte SD ho amin'ny fakantsary vao novidiana aho ka tsy nahatratra sary ny fandrovitan-tsihy nataon'ny miaramila tamin'ny Sabotsy 21 jona lasa teo. Misy ihany anefa ny sary nampiseho fa nandalo teo amin'ny Magro Auditorium Ankorondrano ry zareo tamin'io andro io ary mbola teo ampiantsoana ny lehibeny tany ambadika tany ny mpitarika azy ireto nijery ny tombatomban'ny mpitolona tao angaha!

Misy foana ny mihevitra fa vitsy ny mpitolona ao rehefa mijery hatrety ivelany, nefa tsy ao an'eritreriny velively ny hadadasiky ny toerana misy ireto mpitolona ireto. Efa misy tsindrimandry ihany ny maro fa hisy zavatra mitranga amin'ity herinandro ity ary izay no nahamay ahy hividy fakantsary vaovao hanolo ny simba teo aloha.

Betsaka tamin'ny mpitolona tao Ankorondrano no tsy nahalala akory fa nisy ireo miaramila sy zandary ireo saiky handrava ny tolona tao amin'ny magro mihitsy. Noravan'izy ireo tsy nananany antra ny fiomanana hilahatra saiky hataon'ny tanora teo amin'ny rond-point Antanimena, nisy ny voatifitra ka naratra, ilay tapa-tanana moa dia nilaza fa teo amin'ny telo metatra niala taminy ilay miaramila iray no nitifitra azy tamin'ny bala fingotra ka nahatapaka ny tanany. Nisy ihany koa mazava ho azy ny baomba mandatsa-dranomaso.

 

Nihoam-pahefana ireto miaramila ireto ka izay nitangorongorona rehetra dia norarafany tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso avokoa. Tsy nahagaga raha nolerany ihany koa ireo olona nivorivory teo anoloan'ny biraom-pokontanin'Ankorondrano. Olona mampanao didipoitra ny zanany anefa ireo olona ireo, ka tahaka ny ahoana moa ny mahazo ireo zaza hatao hasoavana? Niala bala ry zalahy rehefa nahatsapa ny tsy nety nataony, na izay mihitsy ny tena paikany, ka io zavatra nataony io no antony saika handravany ny teo amin'ny magro. Na dia noravany aza anefa ireo tanora teny Antanimena ka maro tamin'ireo tanora ireo no tsy tody intsony teny amin'ny Magro dia aseho anareo ihany ireo sisa teny Ankorondrano saingy tsy sahin'ny miaramila tampoka ny nandrava azy. Marihina fa andro faharoa saiky handravana ny tolona io andron'ny sabotsy io fa ny zoma ry zareo no efa saiky handrava, saingy noho ny fifamoivoizana nihitsoka dia tsy sahy ry zareo sao mihitsoka ihany koa ny fiara mitondra azy ireo. Maro tamin'ny vatan-dehilahy tao amin'ny magro rahateo no efa vonona dia vonona raha nanao tsy tsy mety teo ireo miaramila ireo.

 

Ny manahirana dia misy ny fanapahan-dalana eo anoloan'ny gara noho ny fety nefa toa tsy nahasarika olona araka ny nanampoizana azy loatra ilay fety nandritra ny roa andro aloha izay. Asa hanao ahoana tokoa ny tohin'ireo rehetra ireo amin'ity herinandro ity.


jentilisa, 22 jona 2009

Tena misy ilay piratazy amelezana ny mpanohitra ny FAT

2009-06-19 @ 22:13 in Ankapobeny

Araka ny tsikaritrareo mpamaky eto amin'ny Maharesaka...VETO dia niala ny lahatsoratra farany napetrako mitondra ny lohateny hoe: "Nahoana no tsy hananga-tsaina?". Tsara aloha ny manamarika fa tsy ny mpanoratra velively no nanala iny lahatsoratra farany, izay indro haveriko aminareo manontolo indray, iny fa fanafihana piratazy (sovoka an-tserasera no filazako azy manokana ataoko soso-kevitra rahateo) nahazo ny namana serasera saiky izy iray manontolo ka tratrany ihany koa ny blaogy.com iantranoako. Raha sanatria moa avy ny tsy fahatafavoahan'ny jentilisa.blaogy.com dia velomina indray ny jentilisa.blogspot.com izay efa nisy ahy ihany teo aloha.

Efa andro maromaro lasa izay no nisy nampita vaovao taty amiko fa misy vondron'olona (na firenena) manana tombotsoa manokana amin'izao mpanongam-panjakana ankehitriny izao, manakarama manam-pahaizana manokana amin'ny fisomparana vohikala avy any Shina roa tonta, Rosia ary Okraina hisompatra sy hamotika hatramin'ny farany mihitsy ny vohikala malagasy rehetra, na miteny vahiny na miteny malagasy, mamofopofona tsy dia fankasitrahana loatra ny FAT (Fahefana Avon'ny Tetezamita). Volabe tokoa no hanakaramana ireo manampahaizana manokana amin'ny fisomparana an-tserasera ireo (Hackers). Matanjaka loatra manko aty an-tserasera ireo mpanohitra ny FAT ireo ka lalana iray hitan-dry zareo hanitsiana ny lesoka ny gafy tsy misangy.

Tamin'ny nandraisako io hafatra io, izay nomeny ahy manokana mihitsy noho ny fitiavany mamaky ny bolongako ary tiany raha mba izaho no namoaka azy voalohany araka ny fahazoako azy, ka ankasitrahako azy indrindra io fihetsika io dia lasan'eritreritra avy hatrany aho nefa nisalasala ny amin'ny hamoaka azy eo no ho eo. Takina tanteraka tsy misy lahatsoratra mivoaka intsony ny Topmada, nisy fotoana nisy olana teknika tao amin'ny mydago saingy tafaveriny tsikelikely ihany ny very rehetra dia indro koa fa very tampoka ihany koa izay oasoratra faramparany teto anivon'ny namana serasera ka tafiditra amin'izany ny blaogy.com. Fifanandrifian-javatra ve sa porofon'ny tetika maty paika? Ireo aloha no tena fandehanako ary manaitra ahy avy hatrany raha ao misy zava-mitranga kely.


Momba ny Topmada manokana

Mampisalasala ahy ihany ny amin'ny Topmada izay tsy namoaka lahatsoratra vaovao intsony. Heveriko manko fa mety ho antony hafa fa tsy fisomparana no nahazo azy ankoatra ny hoe hitan-dry zalahy angaha ny tenimiafina novainy ka tsy tafidita intsony ny tompony nefa sarotra ho ahy manokana ny amin'izay lafin-javatra izay. Hevitro manokana dia nijanona avy hatrany ny mpandrindra raha vao nihaniroborobo ny fankahalana Frantsay nefa ny tenany aza Frantsay. Mety ho nanafintohina ho azy ihany ny fironan'ny toe-draharaha ka niatoany tsy hamoaka na inona na inona intsony. Tombatombana ihany anefa izany fa tsy fantatra izay tena zaamisy marina ary aharihariko ny filazana fa tombana ihany ny momba ny Topmada io.


Mampieritreritra ilay fetin'ny foloalindahy

Miverimberina amin'ny fahitalavitra vitsivitsy ny dokambarotra momba ny fetimpirenena sy ny fanentanana ny tokony hananganan-tsaina ho mariky ny fiandrianam-pirenena ary mifanindran-dalana amin'izany ny fetin'ny foloalindahy malagasy izay ankalazaina ny andron'ny 26 jona ihany koa. Fa nisarika ny saina ny nandre ny fanentanana natao ho toy ny fomba fiteny filalao amin'ny sarimihetsika nefa natao amin'ny teny frantsay. Angamba hitan-dry zareo tsy mahasarika loatra ilay teny malagasy rehefa nohenoiny ka dia ny tamin'ny teny frantsay (na notsoahina tamin'ny sarimihetsika vahiny mihitsy aza) no nentina nanaovana ny dokambarotra. Ry teny malagasy ô! fa inona ity atao anao?

Tsy maintsy mba taitra ihany ny tena amin'izany satria tiana nasongadina ny anjara toeran'ny tafika malagasy saingy ny teny frantsay no hitako nisongadina kokoa. Ny tena mandreraka manko dia ny fandrenesana vaovao maro samihafa, toy ny filazana fa vao nosoniavina mangingina ny fifanarahana teo amin'ny tafika malagasy sy ny tafika frantsay. Resaka fifamatorana akaiky kokoa eo amin'ny roa tonta no tena nifotoran'izany fifanarahana izany hisian'ny fifanampiana indrindra ny eo amin'ny fitaovana sy ny fiofanana bebe kokoa ho an'ny tafika malagasy ary ny takalon'izay kosa dia ny tafika frantsay irery ihany no miara-miasa amin'ny tafika malagasy. (Ô ry jentilisa a! sao dia ialahy miresaka tafika be loatra ity no isomparan'ny sasany an'ialahy e? Rehefa voasompatra leitsy dia miova lasy sady ataoko ity tehiriziko ny lahatsoratra tsy ho very e!).


Fa lasa aiza ny iray volan'ny teny malagasy?

Antony iray nanakanana ny mpandala ny ara-dalàna tsy hiditra eny amin'ny kianjan'Ambohijatovo ny filazana fa iray volan'ny ankizy izao ka tsy tokony helingelenina. Fihatsarambelatsihy ihany izany amiko saingy azy moa ny hery ankehitriny ka izay tiany io. Ny toa tsy mba misy milaza mihitsy dia ny fanginan'ny iray volan'ny teny malagasy tanteraka. Tena tsy henoko loatra izay antony fa raha ny fahatsapana amin'izao fotsiny dia ketraka ny mpandala ny teny Malagasy ny hanasongadina ao anatin'ny iray volana ny teny lalainy. Eo ihany koa ny fifalian'ny maro rehefa nolazain'ny minisitry ny FAT ny fiverenana ny teny ampianarana ho amin'ny teny frantsay ka akôry atao babak fa herim-bery maina ny mbola hampiroborobo azy. Saingy na eo aza izany hagagana izany tsy kivy tsy akory ny eto ka hilaza fa tsy hanoratra amin'ny teny malagasy intsony.

Ankasitrahana na dia izany aza ny ezaka nataon'ny fikambanana maro samihafa ny amin'ny fampiroboroboana ny teny malagasy mitondra ny kolontsaina malagasy nandritra izay taona maro izay na dia niato aza ny fanaovana azy tamin'ity taona ity. Amiko manokana dia toy ny vao maika nampibaribary ny famotehana ilay mari-piandrianana malagasy be mpankahala ny tsy mba nitakiana ny fankalazana ny iray volan'ny teny malagasy io, ary mampiharihary ihany koa ny fivakisan'ny fiarahamonin'ny mpandala ny teny malagasy noho ny firehana politika misy amin'izy ireo tsirairay avy. Tsy tsapanao avy amin'izany ve fa tena ambavaloza ny fiaraha-monina malagasy? Indro averiko eto indray ny lahatsoratra voafafa noho ny fisomparana, ary matokia fa raha sanatria voasompatra indray ity dia mbola azo apetaka indray noho ny fitehirizako ny lahatsoratra rehetra.


jentilisa, asabotsy 20 jona amin'ny 00:13 alina

Nahoana no tsy hananga-tsaina?

Niteraka adi-hevitra ihany ity fanentanana tsy hanangana ny sainam-pirenena ho amin'ny fankalazana ny 26 jona ahatsiarovana fahaleovantenan'i Madagasikara ity. Amin'ny ankapobeny manko, faneva manavaka ny firenena iraisan'ny Malagasy rehetra tsy tokony idiran'ny politika velively io fa na iza na iza mitondra, raha mbola io no ambaran'ny Lalampanorenana malagasy fa sainan'ny Malagasy dia io hatrany no atsangana ahafantarana fa an'ny Malagasy i Madagasikara raha ny tokony ho izy.

Tamin'ity taona ity anefa, rehefa nisy iny fanonganam-panjakana nandritra ny telovolana voalohany 2009 iny dia mandeha ny fanentanana fa tsy hananga-tsaina mihitsy ny mpandala ny ara-dalàna raha tsy miverina i dada. Lasa ny saina noho izany mieritreritra hoe mivadika politika indray ve noho izany ny fananganan-tsaina ka raha tsy tonga iny olona iny dia ny fanevam-pirenena no sanatria anehoana fahatezerana ho hitan'ny ambanilanitra? Hatramin'izay 7*7 = 49 taona nananana ny saina izay tsy nisy fanentanana tahaka izany koa nahoana tamin'ity taona ity no nisy indray izany?

Tamin'ny voalohany dia tsy nankasitrahako mihitsy ity fanentanana tsy hananga-tsaina amin'ny trano ity, saingy rehefa nijerijery teny rehetra teny aho dia hitako ny zavatra tadiavin'ireo mpanentana. Fantatra ihany manko fa tsy ireo mpandeha eny Ankorondrano ihany tsy akory no nanohitra iny fanonganam-panjakana, heverina fa fiverenana amin'ny fanjanahantany indray, iny noho ny fandraisana anjaran'i Lafrantsa tao anatiny sy ny nitadiavany tamin'ny fomba rehetra hanalana ny filoha Ravalomanana hatramin'ny fiandohan'ny taona 2002. Tsy voatery ho mpankasitraka ny filoha Ravalomanana ihany koa izay rehetra manohitra ny fanonganam-panjakana fa mba manana ny fireha-keviny ihany koa izy.

Teo amin'ny fijerena ny fanohanana sy ny fanoherana ataon'ny tsirairay teo amin'ny lafiny politika dia ny fihetsiketsehana an-dalambe ihany no refy amarana ny hamaroana na havitsian'ny mpanohana ny tsirairay. Miharihary anefa fa tsy izy ireo ihany no mankasitraka na manohitra fa tsy naneho ny heviny kosa ireo izay mbola manan-javatra atao hamelomany tena ka tsy afaka mandeha amin'ireny fihetsiketsehana ireny velively. Eo ihany koa ny tahotra sakoroka izay mety handratra na hahafaty ny tena. Izaho manokana ohatra dia miserana isaky ny Asabotsy atoandro mialoha ny hamonjena asa eny amin'ny Auditorium no ataoko hanehoako ny fanoherana ny fanonganam-panjakana nisy teto Madagasikara. Hevero amin'izany ny fifandimbiasan'olona mandeha amin'ny hetsika sahala amin'ireny.

Hetsika an-trano, aseho amin'ny mpiara-monina noho izany ilay tsy fananganan-tsaina amin'ny trano mandra-pihavin'i dada. Ny manodidina anay akaiky  ohatra dia efa niharihary ny fanohanany ny TGV sy ny tsi-fiovan-keviny, mazava loatra raha saiky mijoro isan-trano ny sainam-pirenena malagasy. Rehefa jerena anefa amin'izao fotoana izao ny manodidina somary velabelarina kokoa dia hita ihany koa fa maromaro ihany ny trano tsy mananga-tsaina, fa tsy fantatra raha hanangana ihany rehefa kelikely. Izahay kosa efa nivonona ny tsy hananga-tsaina mihitsy raha mbola tsy tonga i dada, soa ihany fa miray hevitra amin'ny ankapobeny ny ato an-trano amin'io lafiny iray io, na dia fantatra fa sarotra aza izany fahatongavany izany tsy misy gidragidra. Tsy afeninay rahateo ny tsy fankasitrahanay ny fanonganam-panjakana.

Moa ve tsy fanompoana olona iray izany miandry olona iray izany vao mananga-tsaina? Tsarovy fa tsy hoe olona ihany Ravalomanana fa filoham-pirenena voafidy ihany koa; izy no solontenan'ny firenena ara-dalàna rehefa misy ny fivoahana mankany ivelany. Efa nolazaina teo ihany koa fa tsy niafina mihitsy ny fandraisana anjaran'i Lafrantsa tamin'ilay fanonganam-panjakana, izy anefa no nanjanaka an'i Madagasikara koa dia noraisina avy hatrany fa fanjanahana indray no nataony tamin'ny fametrahana olona zary lasa saribakoly azony lalaovina sy baikobaikoana hitantana ny firenena. Izay no antony tsy ilàna mananga-tsaina amin'ny trano izany : satria zanatany i Madagasikara!

Na izany na tsy izany, tsy mitaratra velively ny safidin'ny tsirairay ny fananganana na tsia io sainam-pirenena io. Raha mitsangana eo amin'ny trano iray manko ny saina tsy midika izany fa mpanohana ny FAT avokoa ny olona afaka mifidy ao amin'io trano io, etsy ankilan'izany ihany koa sarotra ny ilazana fa raha tsy mitsangana amin'ny trano iray ny sainam-pirenena dia manohitra ny fanonganam-panjakana avokoa ny olona afa-mifidy ao. Misy ihany koa ny faritra, toa an'i Manjakaray ohatra, voatery mananga-tsaina avokoa ny rehetra noho ny tahotra fandrao hotafihin-dry zalahy raha mandà hanao izany; faritra mafana manko ireny ka aleo mitandrina ihany.


Fangalarana fantsom-pampielezam-peo

Vaovao iray toa tsy mba misy milaza, tsy azoko mihitsy, tsy misy ve ny mahatsikaritra? Efa andro maromaro manko izay dia taitra ny tena fa mazava dia mazava ny feo eo amin'ny FM100.80, ary ny teo aza no mafy faneno indrindra miohatra amin'ny fampielezam-peo hafa. Eo manko no andraisana ny feon'ny radio mada (radio tsy miankina) teto Antananarivo, izay radio nandray anjara mavitrika nandritra ny roa voalohany taorian'ny fanonganam-panjakana nisy teto madagasikara. Nohenoiko ka lasa ny radiom-panjakana fantatra amin'ny hoe radio nasionaly malagasy indray no feo eo. Navadibadiko teo akaikikaiky rehetra teo ny maridrefy ka akory ny hagagako fa maridrefy lava dia lava no nalainy. Inona no dikan'izany? Mihevitra ve izy ireo fa tsy ho tafaverina amin'ny toerany intsony ny radio mada sa anisan'ny fomba hanakanana amin'ny endriny rehetra ny hiverenan'ity radio ity izany fihetsika izany? Ny tena mahavariana dia tsy mbola nandre ny fitenenana io fangalarana maridrefy io velively aho ka soratako aloha!


Ahemotra ny fanondrotana ny karaman'ny miaramila sy ny zandary!

Araka ny loharanom-baovaoko dia nahemotra ho amin'ny volana jolay indray fa tsy ho ity mialoha ny fankalazana ny fetim-pirenena sady fetin'ny foloalindahy ity indray ny fanondrotana ny karama sy ny tambin-karaman'ny miaramila sy ny zandary; tsy misy resaka mihitsy kosa indray moa ny an'ny polisim-pirenena mikasika ity fanondrotan-karama sy tambin-karama ity.

Nampanantenain'ny PHAT fa hasondrotra manko io karama io saingy tsy tanteraka moa izany ny amin'ity volana jona ity. Nihevitra ihany aho fa ny hampazoto ny mpanao fanamiana tsy hifampitsitsy amin'ny mpanao fihetsiketsehana hamerenana ny ara-dalàna no anton'iny fampanantenana iny ary efa nandrasanay tokoa na ho tafasondrotra na tsia ilay karama ary dia izay aloha no reko amin'izao fotoana izao. Hiteraka fahatezerana amin'ireo mpanao fanamiana sy mpitam-piadiana ireo ve izany toe-javatra izany sa hiaritra kely aloha ry zalahy?

Eto isika dia hitodika kely indray hifanazava resaka, ny miaramila sy ny zandary ihany no nampanantenaina fisondrotana tamin'ny telo toko mahamasa-nahandro fa tsy tafiditra ny polisy. Inona no antony? Itarainan'ireo roa voalohany fa nomen'ny filoha Ravalomanana tombondahiny manokana ny polisy tamin'ny fanondrotana ny karaman'izy ireo ho Ar200 000 nefa tsy nisy resaka ny an'ny miaramila sy ny zandary koa mitaky ry zareo mba hifanahantsahana amin'ny an'ny polisy ihany koa ny raisin'izy ireo. Raha jerena amin'izao tokoa dia toa rariny ny fitakiana saingy fijery mitongilana izany fomba fijery izany ary mikimpy eo anoloan'ny zavamisy. Inona izany zavamisy izany?

Hatramin'ny ela dia iantohana trano ipetrahana sy fitafiana iasana ny ao amin'ny miaramila sy ny zandary. Tsy mandoa hofantrano noho izany ireo vondrona roa ireo. Tsy mba manana izany tombotsoa izany velively anefa ny polisy fa mitady ny trano ipetrahany sy manofa, ary ny fanamiana anaovany ireny dia ry zareo ihany no miantoka azy. Fantatrareo tsara anefa hoe tahaka ny ahoana izany hofantrano an-tanan-dehibe izany dia azo vinaniana ihany koa ny fahavoazana lehibe mahazo ny polisim-pirenena. Noho izany dia fampitovitoviana lenta ny telo tonta ihany ilay fampankarana toa nidangana tampoka azon'ny polisy nandritra ny fitondran-dRavalomanana nefa dia niteraka fialonana teo amin'ny miaramila sy ny zandary. Fanazavazavana tsotsotra ihany io fa anjarantsika no mamakafaka.

Efa nahita tamin'ny gazety mpanohana ny FAT ihany koa isika fa misy ny fampanantenana ny hanondrotana ny karaman'ny mpiasam-panjakana rehetra amin'iny volana jolay iny. Fampanantenana poak'aty ve? raha tontosa manko izany ahiana ny nisian'ny fanaovana "planche à billets" nefa dia hampihena be dia be ny sandan'ny vola malagasy indray izany ka tsy ho amin'ny tombotsoan'ny mpiasa velively. Azo tontosaina avokoa manko ny zavatra rehetra fa ny fiantraikany rehefa avy eo ihany no tena manandanja fa tsy ilay fihetsika velively.




jentilisa, alarobia 17 jona 2009 amin'ny 12:00

Nahoana aho no terena hisafidy amin'i Babylona sy i Egypta?

2009-06-12 @ 23:31 in Politika

Fa inona ity resaka fivavahana tampoka ity? Tsy voatery ho fivavahana fotsiny fa misy resaka tanindrazana ihany koa ao anatiny. Na Egypta na Babylona dia samy anarana firenena, ary firenena lehibe sy nanana ny lazany tamin'ny androny. Mbola tsy firenena Isiraely no efa nanana ny lazany i Egypta. Nitondra ho babo ny mpanjaka, ny lehibe amin'ny firenena ary ny manam-pahaizana tao amin'Isiraely kosa i Babylona rehefa resiny ny firenen'Isiraely.

Olona iray no namidy ho andevo tany Egypta kanjo lasa praiminisitra iny olona iray namidy ho andevo iny taona maromaro taoriana; ka nampanantsoiny ny fiankavian-drainy (Jakoba na Isiraely) iray manontolo hitoetra akaikiny kokoa ary nomena faritra malalaka iray antsoina hoe Goshena. Ny voalohany namidy ho andevo tamin'io fianakaviana io ihany no tonga tany tsy tamin'ny sitrapony fa ny 70 ambiny kosa nonina tany noho ny  nahim-pony sy ny fandosirana kere tany amin'ny faritra nihaviany. Ela ny ela, an-jatony taona taty aoriana, niova ny mpitondra tany amin'io firenena io. Hitan'ilay mpanjaka fa nitombo ireo mponina tao Goshena ka feno azy nanerana ny firenena, natahotra ny herin'ireo mponina tao ingahy Farao na ilay mpanjaka egyptiana. Manahy izy, na izay no paika entiny hamotehina ireo olona ireo, fa raha miray amin'ny tafika vahiny ireo dia ho resy tosika ny fanjakany. Inona no nataony? Naveriny ho amin'ny fanandevozana indray ireo olona tonga tamin'ny nahimpony tao amin'ity firenena ity. Atao hoe fanandevozana satria noterena hanao ny asa mety ho tsy ankasitrahany. Omena ny asa mafy indrindra ihany koa. Atao tsy mahatsiaro afa-tsy ny asa mba hahareraka azy dia hihena ny taranany, kanjo izay vao maika nampitombo ny zanak'Isiraely bebe kokoa. Nalefa indray ny tetika hamerana ny isan-jaza, ka raha vavy no teraka dia velomina fa raha lahy kosa dia vonoina... amin'izay levona ny anaran-dray. Nefa dia mbola nisy ihany mpampivelona nanao tsara ny asany ka namelona ny lahy hatrany. Hatraiza ny halalin'ny fankahalàna? Soa fa niasa hatrany ny fitiavana, jiro kely mitsilopilopy anatin'ny aizi-kitroka manarona ny firenena. Nandevozina an-tanin'olona ireo.

Ankehitriny, ho'aho, nanararaotra ny krizy manerantany sy teto amin'ny firenena manokana ny maro amin'ny orinasa maro ka manao izay hangejana ny mpiasa tsy hiompana afa-tsy amin'ny asa ny atao rehetra. Tena misy ny orinasa tsy afa-manoatra ka tsy maintsy manala ny mpiasa ao aminy fa misy dia misy ho'aho ireo orinasa no manala mpiasa Malagasy mba hampidirana mpiasa Frantsay eto amin'ny firenena misy ahy. Ny karama anefa tsy mitovy velively ka tsy maintsy mpiasa Malagasy maromaro no asolo vazaha iray. Misy idiran'ny krizy ve izany? Sao dia saina manga, fotsy, mena amin'izay no atsangana amin'ny fetim-pirenena fa tsy fotsy, mena, maitso ry zareo? Dia ahemotra 18 andro monja ihany koa ny fankalazana ilay fetim-pirenentsika? Angaha izay ihany! Mba hitsinjovana tsy handroahana ny maro an'isa sy tsy hanakatonana ny orinasa dia miara-mihafy ny rehetra (izany hoe ny mpiasa ankoatra ny tale isan-karazany) ka mifandimby miato amin'ny asany sady tsy miasa no tsy mandray vola araka ny andro tsy iasana. Dia mikaonty ao anatiny ihany koa ny alahady... Oadray, fa angaha lasa karama isan'andro ilay isam-bolana teo? Ary raha ao anatin'ny andro iasanao ianao no marary tampoka na misy voina na sampona hafa dia mitady olona hisolo anao ianao, ka ianareo no mifanaraka amin'ny karamany, izany hoe ianao no manome karama io olona io fa raha tsy izany dia voaroaka ianao satria nandao ny asanao. Orinasa frantsay izany! iza avy moa ireo miteny hoe aleo ihany zanatany Frantsay? Santionany ary io e! Indrisy fa andevozina eto amin'ny fireneny.

Fa inona indray no idiran'i Babylona amin'ity resaka ity? Fa inona no nampiavaka ity firenena ity? Nobaboiny ny maro tamin'ny zanak'Isiraely. Nampiasainy ho amin'ny tombotsoany. Tian'ilay fanjakana nandresy raha mba adinon'ireo babo avokoa ny mombamomba azy tany amin'ny tany nihaviany tany, nisy ny notambatambazana ka nomena hanina avy tamin'ny anjaran'ny mpanjaka. Nomena anarana Babyloniana ka iny anarana iny no ampiasaina fa tsy ilay anarana ihaviana intsony. Nokolokoloiny tamin'ny kolontsainy sy ny fombafombany hany ka tsy mahagaga loatra raha nisy ny famelana ireo olona hiverina an-tanindrazany amin'izay no betsaka ireo nisafidy ny hijanona any ihany. Efa zatra tsinona, nahazo tambitamby sady tsy dia nisy loatra ny famoretana ary tsy nisy loatra ihany koa ny fitarainana avy tamin'ny maro nandritra ny fahababoana ka inona no mahory? Dia inona no mahatonga ny sasany mbola nody ihany? Ny ao amin'ny baiboly nanao hoe mba hanangana indray ilay tempoly ao Jerosalema izay any Jodia. Toy ny manao hoe mba hanangana indray ny firenen'i Jodia (na Isiraely). Ny tempoly no maha-Isiraely an'Isiraely tamin'izany fotoana izany koa na eo aza ny mety ho fiadanana nianohona aleo ihany manangana izay manavaka ny tena sy mampamirapiratra ny tena.

Fa iza ianareo no tsy mbola nampitsiriritin'ny firenena matanjaka ny zavatra tsara any aminy ka toy ny anehoany hoe any aminy no misy ny antsoina hoe fiadanana? Iza ianareo no hahasahy tsy hanome anarana tandrefana mihitsy ny zanakareo? Fa iza ianareo no mbola handany fotoana hilazalaza sy hanazatra ny zanakareo izay manavaka ny fahendrena malagasy ankoatra ny fanovozany ny fahalalana tandrefana sy ny fahalalam-pomba tandrefana indrindra indrindra any an-tsekoly na foiben-kolontsaina? Iza ianareo no tsy mahatsiaro ho kevoka raha mba mizaka ny zom-pirenena matanjaka iray? Dia nahoana no mbola mahatsiaro fa Malagasy ihany? Fa raha mahatsiaro fa Malagasy ihany dia tokony hifanampy amin'ilay fananganana ny rava rehetra, tahaka izany ny fiandrianam-pirenena, tafiditra ihany koa ny kolontsaina manara-penitra eo amin'ny lafiny fampandrosoana, izany hoe fanajana ny maha-olona sy ny tontolo iainana. Izaho ry zareo amin'ireo tranga roa ireo dia mahatsiaro ny tenako ho any Egypta kokoa ka aza tsiniana raha herinandro aty aoriana indray vao manoratra. Mandany fotoana manokana mihitsy.


Fa manantena inona amin'ny Amerikana isika?

Indraindray misy lafiny mahatsikaiky ihany ny tolona hamerenana ny ara-dalàna eto Madagasikara. Toa tadiavina ahindrahindra koa ny Amerikana enti-manohitra ny ataon'ny Frantsay mova tsy niverina tamin'ny androny 1947 indray? Fa ny tolona 29 marsa tokoa naompan'ny sasany tamin'ny fiandrandrana ny mety hihavian'ny tafika amerikana, izay tsy mahalala na inona na inona amin'izany, kanjo hay ny miaramila frantsay sasany ihany no manao fanamiana amerikana ka nony injay faly mahita iny ny olona dia aripany na baboiny tampoka. Izaho koa dia tsy sasatra ny mamerimberina fa tsy nankasitrahan'ny Amerikana loatra ny fifanarahan'ny Malagasy sy ny Koreana tamin'ny resaka fambolena katsaka satria simba ny varotra katsaka amerikana amin'izany. Rehefa Malagasy dia Malagasy fa tsy mitsiriritra ho Egypta na Babylona (Babylona Frantsay na Babylona Amerikana).


Fa naninona indray no niala tao amin'ny Magro?

Efa mba nisy ihany ny karazana fifanarahana fa tsy mila mifampitambitamby amin'izay toerana anaovana omeko tsy omeko dia taitra tampoka ny tena raha nahita tamn'ny gazety fa hankeny Ambohijatovo indray ny mpandàla ny ara-dalàna. Efa nomarihiko mazava tsara fa kely noho ny eny amin'ny magro Ankorondrano ny eny Ambohijatovo ka tsy hitako loatra izay mbola hakana ny toerana kelikely kokoa indray. Etsy ankilany indray anefa, vao nisy nanadrohadro ankolaka ihany tamin'izay niresaka tamiko fa olona vitsy no ao Ankorondrano ka ireny ho ahitany fa diso hevitra izy niteny izany. Mbola latsaky ny roatokon'ny tamin'ny sabotsy 6 jona 2009 (manakaiky ny atsasany aza) anefa ireny olona nizotra nankeny Ambohijatovo ireny. Koa aza atao mahagaga raha tsy atonona ny toeram-pivoriana teny.

Fa nisy zava-mahagaga ahy ihany iny tamin'ny alakamisy iny ka tsara ny mitantara azy. Niserana teny Ankorondrano aho tamin'ny atoandro ka nahita ny hamaroan'ny olona tao... akoban'andro anefa io ka tsy maro noho ny tamin'ny Sabotsy mazava loatra. Niserana teny amin'ny zaridainan'Analakely manoloana ny gara iny aho avy eo hitarataratra ny zavamisy eny. Efa hita tamin'ny gazety Madagascar-Laza manko fa hankeny Ambohijatovo indray ny tolona. Hitako fa feno vato miparitadritaka eny ambony bozaky ny zaridaina. Ratsy avy hatrany ny saiko fa ho entina itorahana olona ireo vato ireo satria betsabetsaka ihany koa ry zalahy tsisy atao no matoritory sy milalao eny ambony bozaka toa miandry zavatra. Amin'ny iray ora sy folo minitra atoandro izany... Nisento aho rehefa nandre fa tsy nisy na inona na inona loatra nitranga teny an-dalana. Ataoko fa nisy herimbavaka tao.

Mba fantatrareo moa? Andro fahatelo misesy amin'ny fivavahana fibebahana ny Sabotsy 13 jona 2009 io ka nampahatsiahy ny tenin'i Mosesy tamin'i Farao hoe : Alefaso ny olona hanao andro firavoravoana ho ahy any an'efitra, lalan-kateloana (telo andro) ny toerana hanaovanay izany andro firavoravoana izany... Niniana nampitoviana ve ka ny andro manaraka ilay telo andro naompana amin'ny fivavahana manontolo no hihavian'ny "fahafahana"? Ny fantatra aloha amin'izao fotoana izao dia resy lahatra tanteraka ny miaramila amin'izao fotoana izao fa tsy maintsy ho avy ilay niteny fa ho avy na dia sarotra dia sarotra aza ny mino izany.  Eny, tarataratro fa hiakatra ambonimbony kokoa indray ny dingana amin'ny herinandro ho avy iny.




jentilisa, sabotsy 13 jona amin'ny 01:31


Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30        
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox