Ny tolona Sabotsy 6 jona 2009 indray no nahazo olona be indrindra

2009-06-07 @ 21:42 in Ankapobeny

Na iza na iza mpitolona amin'izao fotoana izao dia samy nahatsapa avokoa fa ny tolona tao amin'ny Sabotsy 6 jona 2009 indray no nahavory olona indrindra tamin'ity tolona hamerenana ny ara-dalàna ity. Azo heverina fa montsana avokoa ny habetsahana rehetra teo aloha. Ahoana no ahafahana milaza izany? Hipoka tanteraka ny kianja malalaka manoloana ny trano may manoloana an'i Magro sy Auditorium izay be velarana ihany fa tsy mba kelikely izany. Nandany andro mihitsy aho nandrefy tamin'ny alalan'ny google earth.

Ny kianjan'Ambohijatovo nanaovana ny fivoriana ohatra dia mirefy 70 metatra ny halavany miala avy eo amin'ny tohatohatra fipetrahana mandrapahatonga eo amin'ny sehatra fikabariana na fihirana; 55 metatra ny sakany avy eny ambony manatrika indrindra ny fiantsonan'ny fiara mankany Alasora sy Ambohimanambola; saingy mahatratra ny 75 metatra kosa izany sakany izany amin'ny tandrifin'ny sehatra nolazaiko teo aloha ihany. Rehefa feno anefa io kianja io tamin'ny nahabetsaka ny mpitolona mandala ny ara-dalàna dia hatrany amin'ny 135 metatra any ho any ny halavan'ny kianja feno olona.

Raha raisina indray ny kianjan'ny 13 mey izay tsy nahafahan'ny mpandàla ny ara-dalàna nijanonana fa nandalovana ihany tamin'ny voalohany fa ny velaran'ny kianja nisy olona tamin'ny tolon'ny TGV no raisina dia 70 metatra ny halavan'ny kianja miainga avy eo amin'ny amin'ny nisy olona ary 63 metatra kosa ny sakany mandrefy miala avy eo amin'ny 18°54'18.57'' atsimo sy 47°31'22.87" atsinanana mankeny amin'ny 18°54'19.54" atsimo sy 47°31'20.93" atsinanana , fa 68 metatra izany raha raisina miaraka amin'ny ambany arcades izay misy olona tokoa. Nefa matetika dia nalalaka mandrakariva ny arabe hatreo amin'ny 18°54'19.30"atsimo 47°31'21.59" Atsinanana mandrapahatonga eny amin'ny 18°54'21.52"Atsimo, 47°31'23.73" Atsinanana izay mamakivaky io kianja io. Nesoriko ihany koa ny fiantsonan'ny fiara tena nanatrika indrindra ny lapan'ny tanàna satria  izay mandalo eo dia mahalala fa voafefy io ka tsy ahafahan'ny sarambamben'ny olona mivory. Ny tena ivorian'ny olona tamin'izany fotoana izany anefa dia eo amin'ny 55m x 90m (rehefa vita ny asam-pandoroana ny rnm sy ny tvm ary ny orinasan-dRavalomanana isan-karazany) fa efa famindram-po lehibe kosa raha atao hoe 120m ny halavan'ny misy olona nefa dia azonao atao ihany koa ny mikajikajy azy avy eo.

Raha raisina kosa ny refidrefin'ny eny amin'ny kianjan'ny Magro sy Auditorium ivorian'ny mpandala ny ara-dalàna amin'izao fotoana izao ka miainga avy eo amin'ny zoron'ny fefy avaratra andrefana (18°53'05.29" atsimo, 47°31'22.17" atsinanana) mandra-pahatonga eny akaikin'ny zoron'ny fefy atsimo andrefana (18°53'09.45" atsimo, 47°31'22.51" atsinanana) dia mirefy 129 metatra, ny sakan'ny fefy avaratra dia 55 metatra satria misy fialofana izay ijoroana sy ipetrahan'olona ihany koa io fa tsy ilay 49 metatra araka ny refin-tokotany avaratra tsy akory. Ny halavirana avy eo am-bavahady mitoraka mahatratra ny fanorenan'ny Auditorium anefa dia 60 metatra. Marihiko fa ny toerana ivorian'ny olona ihany no refesiko etoana fa tsy ny faritry ny Magro sy ny Auditorium manontolo tsy akory. Raha ireo fandrefesana ireo no jerena dia azo atao tsara ny milaza fa mitovy ny haben'ny kianjan'ny Auditorium (manjary lazaina hoe kianjan'ny ara-dalàna) sy ny kianjan'ny 13 nahavorian'ny TGV ny olony nefa tamin'ny Sabotsy 6 jona teo dia efa olona mihizina tsy ahafahana mihetsika firy na dia ny ivelan'ny fefy sy ery ampitan'ny kianja misy ireo mpivaro-gazety sy mpivarotra madinidinika hafa ireo.

Noheverina hihalefy tsikelikely ity tolona ity rehefa mandeha ny andro sy ny volana saingy vao maika niroborobo tampoka teo (efa hanakaiky ny telovolana izay no lasa). Inona no mety ho anton'izany? Noho ny filazana ankolaka fa ho avy eto Madagasikara mialoha ny fetim-pirenena ve ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana? Toa te-hilaza izany tsikelikely manko ny mpitarika eto an-toerana. Tsy misy velively anefa amin'ny tenin'ny filoham-pirenena soritra ahafantarana izay mety hiaviany alohan'ny fetim-pirenena izany. manahy aho eto fa ho kobaka ambava io fanentanana milaza andro fahatongavana io. Eo ihany koa ny fanetsiketsehana isam-paritra, rehefa andro Sabotsy indray manko izao dia lasa misy ny filaharam-be miainga any amin'ny faritra any ka mirona mankany Ankorondrano. Eo ihany koa ny fanetsiketsehana ny olona manodidina an'Antananarivo renivohitra. Faritra maromaro tokoa no ivezivezen'ny mpitari-tolona ka ny andron'ny alahady 7 jona 2009 manomboka ny folakandro fotsiny dia nolazaina fa ho eny Andrady Itaosy, Andranomena ary Andoharanofotsy ry zareo. Efa nandehanana ny teny Fenoarivo Atsimondrano (izay nitorahan'olo-tsy fantatra ny mpivarotra sady mpitolona mavitrika cocktail molotov ny tranony saingy soa ihany fa nalaky voavonjy izany) sy ny teny Ambohimangakely. Raha izao fitetezam-paritra izao tokoa aloha no jerena dia ny baiko tokana sisa no andrasana dia mety ho avy any amin'ny toerana iray avokoa amin'ny fotoana iray ny mpandala ny ara-dalàna rehetra any amin'ny faritra rehetra izay tratra antso saingy mbola eto ampanombohan'ny fitetezam-paritra isika aloha amin'izao fotoana anoratana izao.


Rehefa ny mpitandro ny filaminana sy ny tafika no maty hasina:

Etsy ankilan'izany dia mihapotika tsikelikely ny hajan'ny mpanao fanamiana rehetra (Miaramila, zandary ary polisy). Nisy ihany ny ezaka fampihavanana any amin'ny vondrona tsirairay any saingy tsy mahasitrana velively ny aretina izany rehefa iniana tsy jerena ny fototr'aretina. Voalohany, tsy eo amin'ny samy mpanao fanamiana no misy olana fa eo amin'ny mpanao fanamiana sy ny sivily mihitsy. Be loatra ny tsy rariny mianjady amin'ny sivily ataon'ny mpanao fanamiana isan-karazany. Eto moa isika dia ao anatin'ilay resaka hoe fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka, nefa araka ny fahatsapana dia toa lalin'aty dia lalin'aty tokoa ilay tandroka ka mahalany betsaka. Inian'ny manam-pahefana isan-karazany ny milaza fa noho ny fiparitahan'ny fitaovam-piadiana no tena mampirongatra indray ny fandrobana sy ny fanafihana isan-karazany Aely miaraka amin'izany koa fa sandoka ireny mpanafika manao fanafihana ireny.

Ny filazalazan'ny gazety (taratra sy gazetiko) nivoaka ny sabotsy 6 jona teo anefa dia nahafahana nanamarika fa tena mpitandro ny filaminana fa misandoka ho an'ny vondrona hafa ihany ireo manao asa ratsy ireo. Efa nanambara mihitsy koa moa ny filohan'ny vaomieran'ny fiarovana ao amin'ny FAT fa izy mihitsy no maniraka zandary sy miaramila manao fisavana, miaraka amin'ny taratasy avy any amin'ny fitsarana (tsy tena aseho akory ilay taratasy) izay efa nolavin'ny minisitry ny fitsarana moa. Ny olana amin'ity fisavana ampanirahan'ingahy Ramaroson Alain ny miaramilany ity anefa dia tsy vitan'ny fisavana no ataony fa raofiny avokoa ny entana bebe sanda any amin'izay savainy. Tsy manaiky ny hipetra-potsiny izy na dia nokianin'ny sefon'ny etamazaoro aza ny fanitsahana andraikitra ataony, satria araka ny nolazainy dia be dia be tokoa ny fitaovam-piadiana mbola tsy hita nanjavonana ka atao izay ahitana azy ireny, sady be loatra koa ny vola miparitaka (ny tiany raofina angamba no marina kokoa!) entina haminganana ny FAT.

Tsy azo adinoina ihany koa anefa ny olana eo amin'ny samy mpanao fanamiana saingy ny fiaingan'ny olana no niniana disoina. Eto aloha aho dia manararaotra fa nisy tokoa ny fandrahonana hitokona nataona vondrona iray tao amin'ny polisy noho ny tsy fankasitran-dry zareo ny mpitondrany fa ny tohiny no tsy fantatra mazava. Vohikala iray sy mpamaham-bolongana iray manko no mba hitako nilaza io toe-javatra iray io hatramin'izao ka andrao lazain'ny sasany ho tsahotsaho foana izany. Hiverina amin'ny foto-dresaka amin'izay aho : ny tenin'ny Jeneraly Andrianafidisoa no nilaza fa ny raharaha 2002 no nisian'ny fivakisan'ny tafika voalohany ka tokony nilàna fampihavanana. Trangan'aretina hita maso no tamin'ny 2002 fa ny fiandohan'aretina dia tamin'ny fiokoan'ny GMP (faran'ny taona 1974) nitaky ny hisiana Jeneraly Tanindrana, ka nahatonga ny fampiakarana ny gradin'ny jeneraly hifototra amin'ny resa-poko fa tsy fahaizana intsony mba hisian'ny antsoina hoe fifandanjam-paritra rehefa nitondra ny filoha Ratsiraka. Nanomboka hatreo dia maro tamin'ny manamboninahitra ambony tokony hisalotra ny galonan'ny jerenaly no nihitsoka teo amin'ny gradin'ny kolonely, noho ny foko misy azy efa maromaro ihany no jeneraly).

Ataoko hoe tsy dia nampaninona loatra iny fa ny fanendrena ny lehibem-paritra isan-karazany mitana ny fibaikoana rehetra dia nifototra tanteraka tamin'ny resa-poko ihany koa. Tamin'iny Repoblika faharoa iny, ny ankamaroan'ny [mody ataoko hoe tsy izy rehetra] mpitana ny fibaikoana rehetra, na miaramila na zandary fa eo amin'ny polisy no tsy azoko antoka loatra, dia avy amin'ny foko Antesaka avokoa (fahotana ve ny manonona azy io mivantana?), avy eo dia miitatra ho ny foko avy ao atsimo atsinanana rehetra (Betsirebaka hoy ny fitenenana tsy dia mihaja loatra) ary fahatelo manaraka vao mety ho tafiditra hahazo ny fibaikoana ny foko Betsileo satria mifampiziva ry zareo. Mazava loatra fa misy ny vondron'olona mitam-piadiana misongadina satria vetivety dia miakatra grady rehefa mitana ny fibaikoana. Araka ny fijeriko dia mety ho hitan'ny filoha Ravalomanana io fisongadinana foko mitana ny fibaikoana mitam-piadiana avy amin'ny foko iray io ka tiany noravana, na nasiany fanitsiana. Hitanareo ihany anefa fa mahalotika fon'olona izany fanalàna fibaikoana izany, ary ny zava-doza taminy dia ry zareo mpanao fanamiana ireto ihany no mahazo alalana hitazona sy hampiasa ny fitaovam-piadiana eto Madagasikara.

Ny tiako asongadina eto dia ny fametrahana ny fibaikoana rehetra teo ambany fitantanana foko iray ka ny fanalana izany eo ampelatanany dia heveriny ho karazana filazana ady aminy. Ny voamarika hafa ihany koa dia mora tanterahina eto Madagasikara hay ny fandripahana olona hafa toy izay nitranga tany Rwanda na dia mety tsy hahatratra ny faratampony akory aza ny fifankahalana eo amin'ny samy olona. Izany hoe efa mihoatra ny 30 taona mahery izay no nametrahana "baomba milevina" teto Madagasikara teo amin'ny lafiny ara-tafika toy ny "baomba milevina" amin'ny vatsi-pianarana manjary lasa zo fa tsy tombondahiny ho an'ny mahay ho an'ny mpianatry ny Anjerimanontolo aty amin'ny firenena miteny ampahany na manontolo ny teny frantsay. Amin'izao fotoana izao ary: ahoana no hitsaboana io aretina efa nitaiza nihoatra ny 30 taona tao amin'ny zandary sy ny miaramila io? Efa maro amin'ny mpitàna fiadiana manko no manararaotra ny fampiasana ny fiadiana eny ampelatanany hanaovana asa-ratsy. Fanamarihana farany: raha miresaka foko aho teto tsy noheveriko hisiana fankahalana velively no anoratako azy fa ny tsikaritro no ampitaiko dia samy mitsakotsako isika rehetra amin'izay tokony hanaovana ny foloalindahintsika Malagasy. Ahitsio aho raha diso ka azavao tsara ny hevitrao!




jentilisa, 07 jona 2009 amin'ny 23:43

Ho lavitr'ezaka ny tolona?

2009-06-05 @ 23:10 in Ankapobeny

Dify ny herinandro nanoratako farany, nitaintaina ny tapaka sy namana ary tsy latsak'izany ihany koa ny mpamaky eto amin'ity bolongana ity. Nisy ny nandefa mailaka, ary teo ihany koa ny niantso mihitsy. Lozako fa manahy noho ny amiko ny olona. Tsy lasa lavitra anefa aho fa eto Babylona ihany. Babylona sy ny asa tsy mitsahatra, tsy mahalala sabata (alahady manko e!), paska ary pentekositra fa mitovy daholo,manompo hatrany.

Gaga ny tato an-trano, fa oviana aho no tsy namonjy fiangonana amin'ny fety kristiana hatramin'ny naha-mpandray ahy ny fanasan'ny Tompo? Izaho koa gaga! Sambany! Reraka noho ny fanompoana ny vatana na dia mbola matanjaka aza ny saina! mamandrika ihany koa anie ny maheno hira sy toriteny amin'ny radio fahazavana e. Ilaozana matory maraina fotsiny dia alim-pody! Sao dia Jesosy no tonga alohan'i "dada"? hoy ny zandriko iray izay... Fa aiza tokoa i "dada" no tsy mbola tonga foana e? Tsy fantatro e! Any anatin'ilay sambo mitondra vary sy menaka avy any Arabia Saodita any angamba. Na ho tonga i "dada" na tsy ho tonga tsy manaiky ny hanjanahana an'i Madagasikara ara-toe-karena aho, tsy manaiky ny fanapotehana ny tanindrazako aho. Na hitolona samirery aza, hitolona amin'izay fantatro fa tandrify ahy.

Lavitr'ezaka rahateo ity tolona ity fa tsy fohy ezaka velively, izay angamba no tsy maha-tanora ahy intsony, efa tsy mahandry mitady gidraka ny tanora sasany satria "hendry" loatra ny tolona sy ny mpitolona. Efa misy ireo andian'olona mitady vahaolona ara-tafika fa tsy mety intsony ny ifampidinihana. Ilay fitsarana manameloka an'i "dada" tamin'ity herinandro ity ihany koa moa lasa mampihomehy ihany. Androany no atao ny fitsarana dia rahampitso io mivaly avy hatrany ary sazy amin'ny vola $ sy € ny onitra fa tsy amin'ny ariary. Fa hilatsa-bidy angaha lehiretsy ny ariary ka aleo atao amin'ny devizy avy hatrany ny lamandy? Hisy raharaha vanona intsony ve?

Noho ny fanompoana eto Babylona dia nieritreritra aho fa isaky ny sabata atoandro no mamonjy fihetsiketsehana etsy amin'ny Auditorium. Mbola hiditra amin'ny roa ora folakandro amin'io an! Nigadona teny aho tamin'ny sabata 30 mey 2009 tamin'ny 11 ora katroka. Nifanindran-dalana tamin'ireo nanao filaharambe namonjy an'Ankorondrano. Isaky ny boriborintany na isam-pokontany moa no ilaharan'ny olona. Miadana dia miadana ny famindran'izy ireo. Izaho kosa nanao dia maika nefa tsy misy olona hovonjena akory any! ny fandehan'ny raharaha mbola tsy manomboka no tena jereko, mijery ny vaovao manodidina sy ankoatra ny kabarin'ny mpitarika no atao.

Hitako ary iry tranoheva kely ialofan'ny olona nefa toa misy fametahana afisy ihany koa. Dia toy ny karazana "Hall d'information" kely tokoa izy io fa misy gazety azo vakiana ary misy mamoaka amin'ny taratasy lasa afisy ihany koa ny lahatsoratra nofantenana mikasika an'i Madagasikara sy ny tolona ataony ary ny raharaha manodidina azy mivoaka amin'ny aterineto. Hevitra mety ihany! hoy aho an'eritreritra, satria tsy mifandrindra mihitsy matetika ny tolona an-tserasera sy ny tolona ampahibemaso. Betsaka amin'ny mpitolona tsy mahita izay aty an-tserasera no tena tsy maharaka vaovao intsony noho ny tsy fisian'ny radio mada natokana ho fanentanana intsony. Ny radio fahazavana kosa tsy afaka hanao izany fanentanana izany fa ny mamoaka amin'ny ampahany somary betsaka amin'ny akon'ny tolona ihany no azony atao.

Ankoatra izany, mandeha ihany koa ny bizina kely madinika eny ho eny. Betsaka ireo mivarotra satroka lamba sy T-shirt. Ny T-shirt misy soratra DADA indray no lamaody ato am-pivoriana. Fa mandeha ihany koa ny gazety tsy dia fahitanao ivelan'ny kianja loatra intsony. Ankoatra ny "gazetin'ny gasy" dia nivoaka ihany koa ny "vaovaon'i Gasikara" (ny tamin'ny sabotsy no lazaiko io an! izay tsy voatantara loatra aty an-tserasera). Ny fijery azy dia mety ho fisarahan-kevitra tao amin'ny gazety voaloha ihany no nampivoaka ny gazety faharoa. Raha mivoaka amin'ny teny malagasy manontolo ihany ka ny gazety notononiko voalohany dia mitady hibahan-toerana kosa ny teny frantsay ao amin'ny gazety faharoa. Misy ihany koa ireo mivarotra boky kely feno tolonkalom-pitiavan-tanindrazana sy fanindrahindrana olona. Boky tsy mandalo sivana mazava ho azy ary tsy ho hita eny amin'ny fivarotam-boky nefa dia tena vita tsara tokoa.

Miresaka boky ihany isika dia hivadika taranja tanteraka. Hitanareo ihany fa mpandala ny teny malagasy ny tena etsy andaniny tia manana boky ihany koa etsy ankilany, indrindra fa ny boky tsy ho hitanao velively any amin'ny tranon-kolontsaina frantsay mampirohotra ny ray aman-dreny te-hahatafita ny zanany amin'ny fianarana toy ny "Alliance française" sy ny "Centre culturel français" (CCAC teo aloha). Nandalo teny Tsimbazaza ny tena io zoma 5 jona 2009 io ka nanararaotra nandalo tao amin'ny Akademia Malagasy hividy ilay boky rakibolana rakipahalalana vao navoakan'ity akademia malagasy ity. Efa re ihany manko fa hoe hivoaka amin'ity volana jona ity io boky mitentina 100 000Ar io. Tsy nahandry izay hivoahany eny amin'ny fivarotam-boky ny tena ka tsy tana rehefa teo am-bavahady fa hitsofoka hanontany ny vaovao hoe oviana izy io no hivoaka?

Gaga anefa aho rehefa nahita ny tranon'ny Akademia Malagasy! Hay ve nisy fanavaozana toy izao ity trano ity e! tena nahafinaritra ny nijery azy ary hita fa vao haingana tokoa ny fotoana nanavaozana azy! Tadidiko ihany ny endriny teo aloha nampahonena sy toa komavoka ery nefa toa mahamiramirana ery ny mahita azy ankehitriny. Hita hoe nisy fandalovan'i "dada" izy ity matoa niova nahafinaritra tahaka izao ny endriny. Mba firy tamin'ireo efa niserana teto no nahatsikaritra ity fanavaozana manontolo ny trano nataon'i "dada" ity? Niditra tao anatiny ny tena ka vao maika finaritra! Tadidiko ihany fa toa maizimaizina nampalahelo izay tato fahiny nefa dia tena mazava manjopiaka aoka izany ankehitriny! Tena azo ireharehana ilay toerana e! Hay ve mahavita trano tahaka izao ny Malagasy e! Noheveriko ho tsy mahay mampiasa ny haikanto (design) amin'ny sehatra tahaka itony mihitsy ny Malagasy fa avelany ho an'ny hafa ihany ny mikolokolo izany. Soa ihany fa nisy an'i "dada" nitondra ny firenena ka nahavitana "tahirim-bakoka" tahaka izao sady mbola tsy nopotehin'ny sasany na tsy tapaka antenantenany ny fanamboarana azy. (eny, tena manao izay hamparary fo mihitsy aho!)

Izay no ela fa tany ambony rihana no nandehanana hanontany ny vaovao. Ny varavarana nisokatra no nodondoniko, sady hitako niteronterona ihany ilay boky. Lasa ny resaka, mila manao komandy avokoa hay ny olona fa, araka ny resak'ilay ramatoa, tsy misy avoaka eny amin'ny fivarotam-boky izany. Aloa mialoha ihany koa ny vola fa amin'ny 25 jona amin'ny telo ora folakandro no ivoahany na hakana azy eny an-toerana. Nojerikereko ny tao anatin'ny boky ka tsy tiako ny nanaovan-dry zareo ny endri-tsoratra (police de caractere). Mbola toy ny endri-tsoratra taloha ireny ihany, tahaka ny  endri-tsoratry ny rakibolana frantsay malagasy nosoratan'i François Rakotonaivo (Ambozontany) ihany amin'ny faritra rakibolana fa mba mahafinaritra kosa ny mijery ny endri-tsoratra amin'ny faritra rakipahalalana. Marihina ho antsika mety ho tsy mahazo tsara ny teny malagasy fa ny rakibolana no ilazana ny hoe 'dictionnaire' ary ny rakipahalalana kosa no anononana amin'ny teny malagasy ny hoe 'encyclopédie'. Nanafatra ihany aho na dia izany aza, satria fantatra ihany ny tsy dia faharisihan'ny olona hividy boky, indrindra fa ny tsy mifandraika amin'ny rafi-pampianarana ankehitriny izay miompana amin'ny teny frantsay, ary ahiana ny tsy ivoahan'ny teny hoe 'natonta fanindroany' intsony. Koa araraoty ry zareo sao dia tsara ihany ny manafatra fa tsy hiandry izay ivoahany eny amin'ny fivarotam-boky.

Rehefa vita moa ny rosia nandoavana ny vola dia saiky hanontany ny adiresy an-tserasera aho saingy ny prôselitisma nataon'ilay madama mandòka ny fanjakan'Andrimanitra araka ny fijerin'ny Vavolombelon'i Jehovah no lasa aloha ka dia naleoko tsy nanohy ny resaka intsony. Amin'ny manaraka indray angamba aho manontany raha mety hisy indray ny fandalovako any amin'ity toerana ity. Amin'ny manaraka indray aho manoratra!

ps: oadray saika adinoko! Inona koa no tombotsoa azo amin'ny tsaho hoe nandalo teto Madagasikara Ravalomanana tamin'ny 23 sy 24 mey e?
 


jentilisa, sabotsy 6 jona 2009 amin'ny 1:11 maraina

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30        
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox