Ho lavitr'ezaka ny tolona?

2009-06-05 @ 23:10 in Ankapobeny

Dify ny herinandro nanoratako farany, nitaintaina ny tapaka sy namana ary tsy latsak'izany ihany koa ny mpamaky eto amin'ity bolongana ity. Nisy ny nandefa mailaka, ary teo ihany koa ny niantso mihitsy. Lozako fa manahy noho ny amiko ny olona. Tsy lasa lavitra anefa aho fa eto Babylona ihany. Babylona sy ny asa tsy mitsahatra, tsy mahalala sabata (alahady manko e!), paska ary pentekositra fa mitovy daholo,manompo hatrany.

Gaga ny tato an-trano, fa oviana aho no tsy namonjy fiangonana amin'ny fety kristiana hatramin'ny naha-mpandray ahy ny fanasan'ny Tompo? Izaho koa gaga! Sambany! Reraka noho ny fanompoana ny vatana na dia mbola matanjaka aza ny saina! mamandrika ihany koa anie ny maheno hira sy toriteny amin'ny radio fahazavana e. Ilaozana matory maraina fotsiny dia alim-pody! Sao dia Jesosy no tonga alohan'i "dada"? hoy ny zandriko iray izay... Fa aiza tokoa i "dada" no tsy mbola tonga foana e? Tsy fantatro e! Any anatin'ilay sambo mitondra vary sy menaka avy any Arabia Saodita any angamba. Na ho tonga i "dada" na tsy ho tonga tsy manaiky ny hanjanahana an'i Madagasikara ara-toe-karena aho, tsy manaiky ny fanapotehana ny tanindrazako aho. Na hitolona samirery aza, hitolona amin'izay fantatro fa tandrify ahy.

Lavitr'ezaka rahateo ity tolona ity fa tsy fohy ezaka velively, izay angamba no tsy maha-tanora ahy intsony, efa tsy mahandry mitady gidraka ny tanora sasany satria "hendry" loatra ny tolona sy ny mpitolona. Efa misy ireo andian'olona mitady vahaolona ara-tafika fa tsy mety intsony ny ifampidinihana. Ilay fitsarana manameloka an'i "dada" tamin'ity herinandro ity ihany koa moa lasa mampihomehy ihany. Androany no atao ny fitsarana dia rahampitso io mivaly avy hatrany ary sazy amin'ny vola $ sy € ny onitra fa tsy amin'ny ariary. Fa hilatsa-bidy angaha lehiretsy ny ariary ka aleo atao amin'ny devizy avy hatrany ny lamandy? Hisy raharaha vanona intsony ve?

Noho ny fanompoana eto Babylona dia nieritreritra aho fa isaky ny sabata atoandro no mamonjy fihetsiketsehana etsy amin'ny Auditorium. Mbola hiditra amin'ny roa ora folakandro amin'io an! Nigadona teny aho tamin'ny sabata 30 mey 2009 tamin'ny 11 ora katroka. Nifanindran-dalana tamin'ireo nanao filaharambe namonjy an'Ankorondrano. Isaky ny boriborintany na isam-pokontany moa no ilaharan'ny olona. Miadana dia miadana ny famindran'izy ireo. Izaho kosa nanao dia maika nefa tsy misy olona hovonjena akory any! ny fandehan'ny raharaha mbola tsy manomboka no tena jereko, mijery ny vaovao manodidina sy ankoatra ny kabarin'ny mpitarika no atao.

Hitako ary iry tranoheva kely ialofan'ny olona nefa toa misy fametahana afisy ihany koa. Dia toy ny karazana "Hall d'information" kely tokoa izy io fa misy gazety azo vakiana ary misy mamoaka amin'ny taratasy lasa afisy ihany koa ny lahatsoratra nofantenana mikasika an'i Madagasikara sy ny tolona ataony ary ny raharaha manodidina azy mivoaka amin'ny aterineto. Hevitra mety ihany! hoy aho an'eritreritra, satria tsy mifandrindra mihitsy matetika ny tolona an-tserasera sy ny tolona ampahibemaso. Betsaka amin'ny mpitolona tsy mahita izay aty an-tserasera no tena tsy maharaka vaovao intsony noho ny tsy fisian'ny radio mada natokana ho fanentanana intsony. Ny radio fahazavana kosa tsy afaka hanao izany fanentanana izany fa ny mamoaka amin'ny ampahany somary betsaka amin'ny akon'ny tolona ihany no azony atao.

Ankoatra izany, mandeha ihany koa ny bizina kely madinika eny ho eny. Betsaka ireo mivarotra satroka lamba sy T-shirt. Ny T-shirt misy soratra DADA indray no lamaody ato am-pivoriana. Fa mandeha ihany koa ny gazety tsy dia fahitanao ivelan'ny kianja loatra intsony. Ankoatra ny "gazetin'ny gasy" dia nivoaka ihany koa ny "vaovaon'i Gasikara" (ny tamin'ny sabotsy no lazaiko io an! izay tsy voatantara loatra aty an-tserasera). Ny fijery azy dia mety ho fisarahan-kevitra tao amin'ny gazety voaloha ihany no nampivoaka ny gazety faharoa. Raha mivoaka amin'ny teny malagasy manontolo ihany ka ny gazety notononiko voalohany dia mitady hibahan-toerana kosa ny teny frantsay ao amin'ny gazety faharoa. Misy ihany koa ireo mivarotra boky kely feno tolonkalom-pitiavan-tanindrazana sy fanindrahindrana olona. Boky tsy mandalo sivana mazava ho azy ary tsy ho hita eny amin'ny fivarotam-boky nefa dia tena vita tsara tokoa.

Miresaka boky ihany isika dia hivadika taranja tanteraka. Hitanareo ihany fa mpandala ny teny malagasy ny tena etsy andaniny tia manana boky ihany koa etsy ankilany, indrindra fa ny boky tsy ho hitanao velively any amin'ny tranon-kolontsaina frantsay mampirohotra ny ray aman-dreny te-hahatafita ny zanany amin'ny fianarana toy ny "Alliance française" sy ny "Centre culturel français" (CCAC teo aloha). Nandalo teny Tsimbazaza ny tena io zoma 5 jona 2009 io ka nanararaotra nandalo tao amin'ny Akademia Malagasy hividy ilay boky rakibolana rakipahalalana vao navoakan'ity akademia malagasy ity. Efa re ihany manko fa hoe hivoaka amin'ity volana jona ity io boky mitentina 100 000Ar io. Tsy nahandry izay hivoahany eny amin'ny fivarotam-boky ny tena ka tsy tana rehefa teo am-bavahady fa hitsofoka hanontany ny vaovao hoe oviana izy io no hivoaka?

Gaga anefa aho rehefa nahita ny tranon'ny Akademia Malagasy! Hay ve nisy fanavaozana toy izao ity trano ity e! tena nahafinaritra ny nijery azy ary hita fa vao haingana tokoa ny fotoana nanavaozana azy! Tadidiko ihany ny endriny teo aloha nampahonena sy toa komavoka ery nefa toa mahamiramirana ery ny mahita azy ankehitriny. Hita hoe nisy fandalovan'i "dada" izy ity matoa niova nahafinaritra tahaka izao ny endriny. Mba firy tamin'ireo efa niserana teto no nahatsikaritra ity fanavaozana manontolo ny trano nataon'i "dada" ity? Niditra tao anatiny ny tena ka vao maika finaritra! Tadidiko ihany fa toa maizimaizina nampalahelo izay tato fahiny nefa dia tena mazava manjopiaka aoka izany ankehitriny! Tena azo ireharehana ilay toerana e! Hay ve mahavita trano tahaka izao ny Malagasy e! Noheveriko ho tsy mahay mampiasa ny haikanto (design) amin'ny sehatra tahaka itony mihitsy ny Malagasy fa avelany ho an'ny hafa ihany ny mikolokolo izany. Soa ihany fa nisy an'i "dada" nitondra ny firenena ka nahavitana "tahirim-bakoka" tahaka izao sady mbola tsy nopotehin'ny sasany na tsy tapaka antenantenany ny fanamboarana azy. (eny, tena manao izay hamparary fo mihitsy aho!)

Izay no ela fa tany ambony rihana no nandehanana hanontany ny vaovao. Ny varavarana nisokatra no nodondoniko, sady hitako niteronterona ihany ilay boky. Lasa ny resaka, mila manao komandy avokoa hay ny olona fa, araka ny resak'ilay ramatoa, tsy misy avoaka eny amin'ny fivarotam-boky izany. Aloa mialoha ihany koa ny vola fa amin'ny 25 jona amin'ny telo ora folakandro no ivoahany na hakana azy eny an-toerana. Nojerikereko ny tao anatin'ny boky ka tsy tiako ny nanaovan-dry zareo ny endri-tsoratra (police de caractere). Mbola toy ny endri-tsoratra taloha ireny ihany, tahaka ny  endri-tsoratry ny rakibolana frantsay malagasy nosoratan'i François Rakotonaivo (Ambozontany) ihany amin'ny faritra rakibolana fa mba mahafinaritra kosa ny mijery ny endri-tsoratra amin'ny faritra rakipahalalana. Marihina ho antsika mety ho tsy mahazo tsara ny teny malagasy fa ny rakibolana no ilazana ny hoe 'dictionnaire' ary ny rakipahalalana kosa no anononana amin'ny teny malagasy ny hoe 'encyclopédie'. Nanafatra ihany aho na dia izany aza, satria fantatra ihany ny tsy dia faharisihan'ny olona hividy boky, indrindra fa ny tsy mifandraika amin'ny rafi-pampianarana ankehitriny izay miompana amin'ny teny frantsay, ary ahiana ny tsy ivoahan'ny teny hoe 'natonta fanindroany' intsony. Koa araraoty ry zareo sao dia tsara ihany ny manafatra fa tsy hiandry izay ivoahany eny amin'ny fivarotam-boky.

Rehefa vita moa ny rosia nandoavana ny vola dia saiky hanontany ny adiresy an-tserasera aho saingy ny prôselitisma nataon'ilay madama mandòka ny fanjakan'Andrimanitra araka ny fijerin'ny Vavolombelon'i Jehovah no lasa aloha ka dia naleoko tsy nanohy ny resaka intsony. Amin'ny manaraka indray angamba aho manontany raha mety hisy indray ny fandalovako any amin'ity toerana ity. Amin'ny manaraka indray aho manoratra!

ps: oadray saika adinoko! Inona koa no tombotsoa azo amin'ny tsaho hoe nandalo teto Madagasikara Ravalomanana tamin'ny 23 sy 24 mey e?
 


jentilisa, sabotsy 6 jona 2009 amin'ny 1:11 maraina

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30        
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox