FIS matahotra ho azo sary

2009-07-30 @ 21:07 in Ankapobeny


Zavatra maro no saiky hosoratana saingy misy ny lasa karazana vaindohan-draharaha kely! Tsy maintsy mitantara na dia fohy ihany ny nahazo ahy ny andron'ny alakamisy 30 jolay ihany manko aho. Rehefa nilaza haka fepetra ingahy Richard raha nahavita filaharambe tampoka ny mpandala ny ara-dalàna dia fantatro avy hatrany fa hisy zavatra hitranga indray eto amin'ny tanàna. Tsy fetsy ny mpandala ny ara-dalàna tamin'ity indray mitoraka ity. Rehefa fantatra fa maro ny miaramila sy zandary niambina an'Anosy sy Analakely dia tokony ho ilay hatrety amin'ny lalambaovao 67ha indray no niaingana, araka ny hevitro; mbola lesoka lehibe eo amin'ny mpitolona mandrakariva ny serasera haingana.

Noho ny raharaha hafa tsy maintsy natao dia tsy afa-namonjy na nijery ny teny Anosy aho. Mandalo an'Analakely ny tena ka nanararaotra naka sary izay azo nalaina teny. Hitako tsara fa karazana ramatahora ihany ny ataon'ireo fiaran'ny FIS miloko mainty fa ilay fiara Toyota fotsy tsy misy laharam-piara iny no mamely tampoka. Izay mihitsy angamba no paikan-dry zalahy ireto. Ny fijeriko azy dia ao anatin'io fiara fotsy tsy misy laharana io mihitsy aza no iaingan'ny baiko ho an-dry zalahy. Noho ny tena tsy manana fitaovam-pifamoivoizana afa-tsy tongotra dia tsy naharaka tsara ny fandehan-javatra teo Antanimena aho (rond-point). Ry zalahy tao anatin'ny Toyota mihitsy anefa no nandraoka, sanatria toa alika romotra, rehefa nahita ny afisy Ravalomanana Marc nentin'olona (renim-pinakaviana) teo. Izy efa rovidrovitra no hitako teny an-tanan'ilay miaramila io ireo afisy. Akaiky loatra aho ka tsy mbola namoaka ny fakantsary. Namonjy teo amin'ny fiantsonan'ny fiara fitaterana aho vao naka sary.

Tratra aoriana fa vao natsipin'ilay miaramila tao aorian'ny fiara indrindra ireo afisy nopotipotehiny fa voapika ilay fakantsary. Niteny ahy ilay rangahy teo anilako fa mbola misy olona enjehin-dry zalahy any amin'ny lalana mankany amin'ny CCESCA any. Nihazakazaka aho haka sary izany hetsika izany, voapika tsinahy indray ilay sary sady takon'ilay miaramila izay zavatra nitranga tao aloha tao. Tsy voafehiko tampoka ny fahamailoana fanaoko. Hay hitan'ily iray manao fanamiana manga ny fakantsariko. Tonga dia nanatona ahy izy no niteny ahy niaraka tamin'ny ompa: " Inona ny sary nalain'ialahy?" (miaraka amin'ny ompa io fa tsy soratana), "ao jerena! alefaso any aloha!" Tsy nampiseho azy izay sary nalaiko aho fa ny fakantsary vonona haka sary fotsiny no nasehoko azy. Tsy nesoriko teny an-tanako mihitsy ny fakantsary na dia navelako hikitikitika hikaroka izay sary nopihako izy. Tsy hainy ny nijery ilay fakantsary (tsy nesoriko tamin'ny tanako mihitsy sady vonona mihitsy aho ny hiaro ny fananako tamin'io fotoana io) dia navelany no sady niteny ahy izy hoe "tadidiko ialahy". Maro ny olona teo no nahita io tranga io.

Lasa aho nankeny amin'ilay fiantsonan'ny fiara indray sady nofafako ny fakantsariko satria tsembo-tanana be ilay miaramilan'ny FIS be kitikitika ny fakantsariko teo. Nifampijery indray izahay. Iny ranamana fa niantso ny namany sady nanondro ahy. Ny olona teo kosa nisy niteny hoe midira anaty bus sady tao an-tsaiko indrindra izay. Dia niditra aho. Hatreo ihany ny fitantarana fa manjary lava resaka indray. Mivoaka tsikelikely eo ny sombintsary tsy hitan-dry zalahy ny nalehany raha tsaratsara ny fifandraisana (efa kely dia kely koa anefa ny fahana ananako)

jentilisa, alakamisy 30 jolay 2009 amin'ny 23:09

Baomba nipoaka, hono, dia nisy nanafika, hono, ny Viva?

2009-07-19 @ 20:51 in Ankapobeny

Na dia nieritreritra ny tsy hanoratra intsony aza aho araka ny nolazaiko taminareo ao amin'ny twitter sy friendfeed mandra-pahatongako avy any amin'ny toerana vitsivitsy eto Madagasikara hotsidihako amin'izao vakansy ataoko izao dia tsy laitra ny aretin'ny fitiavan-kanoratra sy ny hevitra mibosesika fa dia nopihana indray ny solosaina dia notendrena ny vatamarobokotra.
 


Tsy nieritreritra izay hihaino radio sy hijery televiziona ny tena fa dia ny antso mifandimby ataon'ny any amin'ny faritany no nahenoako ny fisian'izany baomba nipoaka namely ny manamboatra azy teny Ambohibao izany sy izany fanafihana ny foiben'ny Viva Ambodivona izany. Nandeha tamin'ny TVM, hono, izany vaovao izany ka ny Kolonely mitovy anarana amin'i "dada" indray no nilaza ireo vaovao ireo tamin'ny mpanao gazety. Mbola fanontaniana ato amiko aloha ny hoe nantsoin'ireo mpanao fanadihadiana teny an-toerana nitrangan'izany fipoahana baomba izany ve ny mpanao gazety hanamarina ny fisian-javatra sa efa any amin'ny toby vao nampiantso ry zalahy? Raha Ambohibao dia Ambohibao taiza ho aiza tokoa aloha? Teny an-tsena ve? Akaikin'ny Ambasady Senegaly ve? Sao dia tao amin'ny CNME na FIS kosa? Mba hitan'ny rehetra ihany manko ilay fiaran'ny FIS tsy mitsahatra ny mihaodihaody (fihantsiana mihitsy fa izany hoe tsy ihogahoga azy mihitsy manko ny olona) mandalo mandrakariva ny anoloan'ny vavahadin'ny Auditorium nandritra ny fotoana ny sabotsy iny. Nitady gidraka ry zalahy saingy tsy nahomby (fa iza moa ny gazety hilaza izany?).

Efa somary nahavaka ahy ihany koa ny filazan'ny tao amin'ny FAT tao tamin'iny herinandro iny na talohan'izay tsy tsaroako tsara intsony fa hisy hetsika lehibe hataon'ny miaramila atsy ho atsy(!). Sao dia izay kosa ary ilay zavatra noketrehiny? ahiahy ny ahy aloha fa tsy voatery ho marina. Dia  nisy miaramila sahisahy tsy manana fiarovan-tena izany, hono, nidezamôrsa ny baomba teny amin'ny toby nahitana izany. O lehiretsy e! baomba tsy hipoaka kosa ve no dezamôrsena hipoaka moa? Ahiahy ihany ny ahy fa tsy voatery ho marina. Fa ny tena mahavariana amin'ity tantara ity dia amin'ny andro iantsoana ny ankolafy politika eto Madagasikara hifandamina any amin'ny foiben'ny Firaisambe Afrikana no nisian'ity tranga izay ny TVM no namoaka azy voalohany. Maninona moa raha tsorina fotsiny hoe tsy hanatrika velively izany fifandaminana any Addis-Abeba izany izahay dia vita kabary? Dia eto aho vao tonga saina nahita iny Jeep miaramila nandehandeha nivezivezy androany teny Analakely nizesta nanambana basy toy ireny misy fahavalo ireny eo anoloany.

Fa ny tena nampihomehy ahy dia ireo mpanapoaka baomba nibaradaka avy hatrany fa mpivory eny amin'ny Magro raha vao nohadihadiana. "Cinéma! Cinéma!" izay avy hatrany no hambaran'ny mpanoratra amin' izany rehetra izany. Ny fanazavana ataon'ingahy ao amin'ny zandary mihamalaza amin'izao fotoana izao, sady mitovy anarana amin'i "dada" rahateo izy araka ny itenenanany no mahamaizina ny zavatra ambarany. Nisy rangahy nahitana planina ny manodidina ny Viva sy ny Injet izany koa, taiza io rangahy nahitana planina io? Tany Ambohibao ve? raha tany manko dia tena milaza fahavendranana mihitsy ho an'ny roa tonta. Vendrana ny manao ny "fampihorohoroana" satria tsy fanao mihitsy izany mitondra "porofo" izany na inona na inona antony rehefa hanao zavatra tahaka itony. Vendrana ny "mpanadihady" satria dia tsy noraisiny ho zava-dehibe hanaovana fanairana avy hatrany ny fahitana "porofo" sahala amin'izany. Fa tahaka ny kisendrasedra ihany koa ho'aho e! Toa any Maorisy indrindra ny PHAT sy ny vady aman-janany no misy izao toe-javatra izao? Ahatsiarovako indray ny filoha Ratsiraka mivoaka any andafy izay dia misy zava-mitranga eto Madagasikara.

Fehiny: tsy aleo ve tonga dia miteny hoe horavanay amin'izay ianareo ao amin'ny Magro fa tsy mety mihena mihitsy ny isan'ny olona ao ka manahirana be ihany. Tsy aleo ve miteny hoe hosamborinay amin'izay ny mpitarika ary hogidrahanay izay mbola mitady hafana fo hankany amin'ny Magro manomboka alatsinainy 20 jolay 2009. Noho izany: fantatry ny mpitolona fa hanao ramatahora indray ny mpanongam-panjakana koa dia manantena aho fa ho tonga maro ny mpitolona io alatsinainy io. Mety ho efa hahare indray fa hoe nosamborina hoe  ranona sy ranona saingy tsy mila mikorapaka amin'izany. Aleo ho an'ny samy miaramila ny fifanandrinana amin'ny fitaovam-piadiana fa ny sivily fitakiana am-pilaminana tahaka ny mahazatra no tsara ataony. Handeha haka vakansy ihany ve izaho ity sa hahemotra indray ny dia e?

 
Anniversaire Thiera ny sabotsy dia io ny cadeau azony 
jentilisa, 19 jolay 2009, amin'ny 22: 53

Mety hisy zavatra hitranga tampoka? Ny famahanam-bolongana fohy (Twitter, friendfeed...)!

2009-07-15 @ 22:15 in Ankapobeny

Efa andro maromaro aho no te-hamoaka ity lahasoratra iray ity ka enga anie mba ho vita soa aman-tsara amin'izay. Mivoatra haingana dia haingana ny tontolon-tserasera nefa isika Malagasy amin'ny ankapobeny, ary tafiditra amin'izany ihany koa ny tenako izay manoratra, dia malaina mandrakariva ny handray zava-baovao. Izaho ohatra, noho ny fahateren'ny fotoana nefa te-hamoaka vaovao mandrakariva, dia voatery mihitsy vao niditra tamin'izany Twitter izany, saingy nahita fa indraindray toa tsy ampy hanoratana feno io tahala iray io no niditra ihany koa tamin'ny Friendfeed. Somary hitantara kely aho hanao jery todika nahatonga ahy higadona ihany koa any amin'ho ny famahanam-bolongana fohy (microblogging).

Efa mahalala angamba ny maro amin'ny mpamaky eto fa mpandika ho amin'ny teny malagasy ny lahatsoratra ao amin'ny Global Voices aho. Mazava loatra fa tsy maintsy ho mpamaky io vohikala iraisam-pirenena iray io aho. Efa mpandika teny tao aho no nalaza ny hitsanganan'izany facebook izany. Tsy dia taitra loatra tamin'izy io aho tany am-boalohany. Noraisiko ho natokana ho an'ireo nandalina tany amin'ny sekoly ambony any amin'ny firenena tandrefana io tambajotran'ny mpiserasera io. Volana vitsivitsy lasa izay tamin'ity taona ity aho vao niditra tao, satria nisinisy ihany ny rohy no nankany amin'ny Facebook nefa izaho izay mpandika aza tsy tafiditra any akory. Tahaka ny nampihomehy valaka ahy ihany io toe-javatra iray io. Dia tafiditra tao amin'ny facebook ny namana jentilisa. Tamin'ny ankapobeny dia ireo namana an-tserasera ihany no namana voalohany tao amin'ny facebook. Mba nitady mpiara-mianatra taloha tadidy anarana ihany aho tao fa tsy nahita mihitsy hatramin'izao na dia iray aza. Angamba noho ny tena avy any amin'ny sekolin'ny zanabahoaka no tsy dia nahitako loatra ireo notadiavina.

Tafiditra tao amin'ny facebook ary aho. Ny tena nanahirana ny saiko sy nampisalasala ahy ela dia ilay fitadiavany ny tenimiafina miditra amin'ny mailaka yahoo fampiasako. Efa tapa-kevitra ny hiditra manko aho indray mandeha no niato tampoka rehetra tratran'io fitadiavana tenimiafin'imailaka io. Ny resaka sovoka (piraty) no nahiako indrindra. Tapa-kevitra ihany rehefa ela ny ela fa aleo hitranga any izay hitranga fa hiditra aho sady tsy mbola nahare vaovao loatra hoe nisy tratran'ny sovoka tamin'ny fidirana io sehatra io. Kanjo tokoa moa dia tsy naninona loatra ny tena aloha hatramin'izao. Ny tanjon'ireo nanao ny tolotra facebook na ireo mpanome ny tolotra ho an'ny tambajotran'ny mpiserasera (réseau social) amin'ny ankapobeny dia ny lisitr'ireo mpifanerasera aminao amin'ny mailaka ihany no iaingany ka raha tsy misy dia mampandefa fanasana avy aminao ho an'ny namanao izy. Avy eo indray ianao mitady ireo izay tadidinao anarana dia mba nisy vitsivitsy aloha ny namako ao. Tao aloha no nahitako fa efa niha-niseho sary amin'izay ny Malagasy mpiserasera raha mbola maro ny natahotra tamin'ny nampalaza indrindra ny serasera.org. Hatramin'izao aloha ny fandraisako ny facebook dia miompana be dia be amin'ny fifandraisana mahaolona na dia misy aza ireo vondrona isankarazany azonao idirana.

Nitendritendry ny vatamarobokotra (clavier) indray ny tena hanoratra vaovao fohy tao amin'io sehatra io. Nahatsapa tena avy hatrany anefa fa tsy tokony ho ao no amoahana ireo vaovao fohy ireo fa sehatra hafa no sahaza izany, nefa tsy amin'ny bolongana mahazatra ihany koa. Ny mahazatra ny mpiserasera malagasy raha vao mahita ka mampita ny vaovao hitany dia any amin'ny dinika (forum) hatrany. Tsy dia mahomby loatra anefa ny famoaham-baovao any amin'ny dinika satria :  Voalohany vetivety dia mety hanjavona ny vaovao avoakanao no sady ny famoahan-kevitra sy ny faniratsiràna no tena manjaka any. Faharoa be ny mpamoaka vaovao any nefa tsy fantatra ny olona mamoaka ny vaovao, noho izany, sarotra ny mino izay ambarany. Sarotra ny fampitam-baovao raha vao tsy misy ny fifampitokisana ka izany no ilàna ny mahalala ilay na ireo mpamoaka vaovao. Mazava loatra fa ny vaovao no misongadina kokoa fa tsy ilay famoahan-kevitra loatra. Niditra tamin'ny Twitter indray i jentilisa amoahany izay hitany sy reny.

Rehefa niditra tao amin'ny Twitter dia nampitadiavany namana tamin'ny alalan'ny imailaka indray. Tsy nampatahotra ahy intsony ny amin'iny. Tao aho dia nahatsikaritra fa afa-mandray roa ity Twitter ity. Sady mametraka ny fifandraisana amin'ny mahaolona izy no famahanam-bolongana saingy famahanam-bolongana fohy ihany. Mitovitovy halavana amin'ny SMS amin'ny finday ihany ny halavan-tsoratra azonao alefa indray mandeha satria 140 ihany ny isan'ny tarehintsoratra zakany ary tafiditra amin'izany ny banga (espace). Ny tombony dia vetivety dia miely ny vaovao na resaka lazainao satria azon'ireo miray tambajotra manaraka ny soratanao (followers) avy hatrany ny hafatra alefanao. Tsy sahirana mivezivezy etsy sy eroa ihany koa ianao mikaro-baovao farany fa misoratra anarana amin'ny Twitter indray mandeha dia tena "aterineto" aminao avokoa izay lazain'ireo arahinao.

Mbola misy ihany koa ny kilema hafa ananan'ny Twitter. Ankoatra ny fisian'ny fandefasana hafatra manokana tsy hitan'ny ankoatra ny andefasana dia mety tsy ho azon'ny hafa mbola tsy misoratra anarana tamin'ny Twitter izay voasoratra nefa firesahana amin'ny hafa ao anaty tambajotra ny votoatindresaka. Tsy mifampitohy avy hatrany toy ny any amin'ny dinika (forum) ihany koa ny resaka fa toy ny mandefa SMS manokana hitan'ny besinimaro ianao. Voaarin'ny Friendfeed io lesoka io ka dia izay ihany koa no nahatonga ahy hiditra amin'ny Friendfeed.

Ao amin'ny Friendfeed dia afaka ampifanohizana amin'izay niandohan-dresaka ny famoahan-kevitra, fa mila misoratra anarana miditra amin'ny Friendfeed ianao raha te-hamoaka ihany koa ny hevitrao. Famahanam-bolongana fohy ihany koa ny Friendfeed saingy afa-manoratra lavalava kokoa ianao. Tsy azo atao lava loatra anefa fa sao tapaka, tohizana eo ambany eo amin'ny famoahan-kevitra indray izay soratanao avy eo. Afa-manohy ny resaka manampy anao ihany koa ny hafa. Izany hoe afa-manoratra lava ihany ianao amin'ny alalan'ny famoahan-kevitra tsikelikely araka ny fotoana anananao fa tsy voatery ho vita ilay lahatsoratra lavabe (toy ny amin'izao bolongako izao) vao avoakanao ilay lahatsoratra. Ny tombony hafa amin'ny Friendfeed ihany koa dia ny fisian'ny hoe like sy ny share. Tsy voatery mamerina manoratra ianao fa manindry ny iray amin'ireo fotsiny dia toy ny efa mizara bolongana fohy sahady ianao. Mampiely haingana ny vaovao ny fanaovana izany fihetsika mizara na milaza ny fitiavanao ny lahatsoratra na rohy izany.

Manana ny kilemany ihany koa anefa ny Friendfeed : Tsy dia natao loatra ho ana mpampiasa solosaina ifandimbiasana izy. Raha miditra amina solosaina iray aho ohatra ka miditra Friendfeed eo ka hivoaka Friendfeed avy eo dia tsy mety tafala (logout). Raha misy olon-kafa indray hiditra Friendfeed eo dia ho gaga fa ny Home-ko izay teo alohany no hahatafiditra azy avy hatrany ka ho toy ny afa-manoratra amin'ny anarako izy, eny fa na dia efa novonoina aza io solosaina io ka velomina indray dia izay no mitranga. Efa nisy nanoro ihany anefa aho ny karazan'ny hamafana izay nidirako tamin'ny Friendfeed ka mba tsy hidiran'izay taoriako amin'ny Home-ko dia izao manaraka izao no ataoko:

Any Ampiasana moa dia Internet Explorer no miasa any. Tany no nisy olana ananako fa tsy ny aty an-trano loatra. Ao amin'ny Internet Explorer niseraseranao tamin'ny Friendfeed ary dia mifantina ny Outils ery ambony ery aho. Misy fàfana kely mivoaka eo rehefa manindry ny Outils aho dia tsindriako ao indray ny Option Internet. Raha efa izay dia tsindriako indray ny Supprimer les fichiers ao amin'ny Fàfana Général. Misy fafana mivoaka indray avy eo eo manontany raha hofafana tokoa ny Temporary Internet Files fa manao OK ianao. Avy eo dia misintaka amin'ny Friendfeed tsy mety mikatona mody mijery zavatra hafa ianao. Azonao atao avy eo ny manamarina raha tena efa niala avy tao anatin'ny Friendfeed misy ny Home-nao ianao amin'ny fiverenana miditra Friendfeed indray (tsy mampiasa ny bokotra précédent). Ny ato an-trano indray moa dia Firefox no ampiasaiko, nefa mbola tsy nanandrana ny hamafa (izany hoe hivoaka Friendfeed) aho satria tsy misy loatra ny mifandimby solosaina amiko. Fa raha mitovitovy ny famafana hivoahana amin'ny Friendfeed dia miditra Tools ianao, dia misafidy ny Clear Private Data dia misafidy izay tianao hofafana ianao fa heveriko ho ny Cache no tokony hofafana aloha (na ny Authenticated Sessions fa tena tsy haiko aloha!). Tsy miantoka ny mety ho fahasimbana aho fa andramo ihany aloha.

Izay no ela fa ny fanamarihako farany, raha ny fanaoko teo aloha dia ny manasa anao hiditra amin'ny Twitter-ko no ataoko nefa ny tokony ho izy dia ny ao amin'ny Twitter no fanasana ny olona hamaky ny bolongana ary fanaon'ny mpamaham-bolongana fohy izany. Ny anjara toeran'ny bolongana sisa hatreto aloha dia ny fizarana ny vaovao lava na ny hevitra mila fotoana lavalava na eritreritra tsy tana. Misy ary moa ny namana iray milaza fa tsy misy ilàna ny mamaham-bolongana rehefa tsy ho hitan'ny olona iny, saingy ny eo ny tambajotra iraisan'ny mpiserasera hampiely ny fivoahany haingana dia haingana. Manory hevitra anao ary aho hiditra Twitter (siokamboronkely) na/sy Friendfeed (fahan'ny namana) dia hanaraka ireo mahaliana anao amin'izay namanao sy arahin'ny mpamaham-bolongana arahinao na ireo manaraka ny mpamaham-bolongana arahinao rahateo fa tsy tokony hanenina velively ianao fa ho afak'andro aza. Azo atao ihany koa anie ny hoe manangana tambajotra miteny malagasy ihany koa isika ao raha tianao e! sady ny mpanoratra rahateo efa manoratra amin'ny teny malagasy rahateo. Tsy terena ianao na dia izany aza!



jentilisa 16 jolay 2009 amin'ny 00: 16

Tafika Malagasy: mahafantatra ny fahavalony ve?

2009-07-08 @ 23:01 in Ankapobeny

Mihetsiketsika mafy ny mpitandro ny filaminana malagasy amin'ny ankapobeny amin'ny fanenjehana ny "mpampihorohoro", ary mikofoka mafy miaraka amin'izany ny Kolonely Ravalomanana Richard amin'ny famoaham-baovao avy amin'ny zandarimariam-pirenena. Malaza manerana ny gazety malagasy indray ny alarobia 8 jolay 2009 fa "nandefa vola 25 000€ na Ar675 000 000" hoe ny mpikambana (iray?) avy amin'ny GTT Paris hanamboarana baomba vita tanana eto Madagasikara". Miha-henjana izany raharaha izany, hoy aho anankampo. Dia aleo mampitandrina ny mpiray tanindrazana any ampielezana mandefa vola ho an'ny Malagasy eto an-toerana mba atsahatra aloha ny fanampiana fandrao lazain-dry zalahy fa volan'ny fampihorohoroana ihany koa izany... izay vao vita hatreo koa ny amin'nyWestern Union sy ny Moneygram fa tsy maintsy ho tratran'ny fanadihadiana isan'andro ry zareo ao izany fa mety ho volan'ny mpampihorohoro malagasy avokoa ireny. Fantatra ihany anefa ny firenena iavian'ny mpampihorohoro malaza manerantany nefa tian'ny mpanongampanjakana fatratra ho namana.


Miomana fatratra amin'ny mety iavian'ny mpanani-bohitra ihany koa ny tafikamalagasy amin'izao fotoana izao. Mampahatsiahy indray ny fiainan'ny miaramila nandritra ny repoblika faharoa miomana fatratra amin'ny mety ho fanafihan'ny Afrikana Tatsimo tamin'izany fotoana izany. Miverina indray io tranga io amin'izao fotoana izao, fa raha Fotsy mpanavakava-bolo-koditra no mpitondra io firenena io tamin'ny repoblika faharoa dia Mainty tompontany kosa no mitondra azy amin'izao fotoana izao. Mbola Afrika Atsimo ihany manko no firenena lehibe toy ny hazondamosin'ny SADC ahiana hananika an'i Madagasikara amin'izao fotoana izao. Variana amin'ny mpanani-bohitra mety ho avy anefa ny tafika malagasy ka tsy mahita ny mpanani-bohitra efa mamaka ao anatiny amin'izao fotoana izao.
 

Sary iray nanintona ny masoko tao amin'ny gazety l'hebdo de Madagascar tamin'ny 26 jona 2009 mitondra ny laharana 228, takelaka fanampiny pejy fahadimy, ireo sari-miaramila ao amin'ny efitra iray lehibe ao amin'ny Capsat Soanierana. Nanisa ireo miaramila teo anoloan'ny solosaina maromaro (mampahatsiahy ny 24 hour-n'i Jack Bauer) aho. Raha 16 mirahalahy no hitako dia mivandravandra fa raha vitsy indrindra dia 5 amin'ireo dia vazaha fotsy avokoa. Ny roa amin'ireo ihanykoa mbola ahiako ihany koa saingy tsy hita tsara moa ka ny vitsy indrindra ihany no lazaiko. Mazava loatra fa mpanofana ao amin'ny Capsat ireo miaramila hita miharihary fa vazaha ireo, ary ny fantatra fa manana fifandraisana ara-tafika akaiky amintsika aloha dia ny Frantsay ihany. Mazava loatra fa tsy misy miafina amin'ny tafika frantsay ny resaka rehetra momba ny tafika malagasy. indraindray aho te-hino ihany fa efa hatramin'ny niatombohan'ny fitondran-dRavalomanana no novolavolain'ireto mpampiofana Frantsay ireto ny sain'ny miaramila malagasy ka nahavitany nanongana ny filoha faratampon'ny foloalindahy. Tsotra ny nanaovany azy : Tsy tokony eo ambany fitantanana sivily izany ny miaramila.


Nambara ombieny ombieny ho fahadisoan-dRavalomanana Marc ny nametrahana ny minisiteran'ny fiarovam-pirenena ho eo ambany fiadidiana vehivavy (sivily?) ka hoe nahatezitra ny tafika amin'ny ankapobeny. Nolazaina ihany koa fa tsy mahalala ny fomban'ny raharahan'ny tafika ny filoha Ravalomanana (sivily) ka mampietry ny voninahitry ny miaramila. Izany no antony iray nananganana ny Komity Miaramila misahana ny Fiarovam-pirenena, izay araka ny fahalalako, tsy mandray baiko na avy amin'iza na avy amin'iza, fa manana ny fanapahan-kevitra farany manoloana izay mety ho fanafihan'ny vahiny. Tsy mahagaga amin'izao fotoana izao raha aderadera amin'ny haino aman-jery fa manao sarin'ady hiatrehana ny mpanani-bohitra ny manamboninahitra ambony ao amin'ity komity ity, ary mafana fo amin'izany ny ao amin'ny zandarimaria FIGN izay toby voalohany ihany koa nikomy tao amin'ny zandarimaria manokana. Ilay resaka fametrahana baomba iniana ankalazaina ihany koa etsy andanin'izany, amiko, dia fanairana ny tafika hiomana amin'ny ady, izany hoe efa ampidirina tsikelikely amin'ny lojikan'ny ady ny miaramila sy ny zandary amin'izao fotoana izao. Toy ny tongotra mby an-dakana aza io, tsy miverin-dalana intsony, ka ahiako fa rehefa tsy ho avy ny mpanani-bohitra noeritreretina dia hitodika hamely (efa namely eo amin'ny sehatry ny fitsarana) mivantana ireo mpitolona ho amin'ny ara-dalàna efa heveriny ao an-tsainy ho fahavalony ihany koa.


Fa toa, na iniana adinoina anefa ny "fahavalo" efa mamaka ao anaty izay hoe efa eto an-tanindrazana amin'izao fotoana izao, dia ireo namolavola tsikelikely ny sain'ireto miaramila ireto ary nahapetraka tsara fa namana sy mpiara-miasa mahafa-po ny tafika frantsay fa tsy tonga velively hanani-bohitra. Namana satria nanome voromby sy angidimby ho an'ny tafika malagasy ka, angaha tsy hitanao ireny nandritra ny matso tamin'ny 26 jona 2009 ireny? Fa iniana ampanginina ho'aho ny resaka sisintany izay ifanolanan'i Madagasikara sy Lafrantsa hatramin'ny ela. Misy nosy vitsivitsy takian'ny malagasy amin'ny frantsay haverina amin'ny tanindrazantsika dia ry Juan de Nova sy ry Europa izany. Tsy mihaino ny Frantsay fa hametraka fitrandrahana solika an-dranomasina amin'ny fari-dranomasiny (manodidina an'i Juan de Nova) ary efa manitsaka ny fari-dranomasin'ny Malagasy madio mangarangarana mihitsy aza... nefa tsy misy fifanarahana. Fa moa ve tsy hiaro ny sisintanin'i Madagasikara no antom-pisian'ny tafika? Koa nahoana no minia mikimpy amin'ity raharaha iray ity? Hangalatra ny solik'i Madagasikara anie izany i Frantsa e!


Izao manko no manana tombontsoa betsaka indrindra ny miaramila ka tsy fantany akory na hamaivaniny ny lanja ara-toe-karena ny zava-mitranga any amin'ny fari-dranomasintsika. Saingy ny iavian'ny ady rehetra anie rehefa tena dinihina tena mifototra amin'ny toe-karena fa fomba itantanana azy fotsiny ny politika. Efa nahazo fanampiana tamin'ny tafika frantsay ny tafika malagasy ka inona moa no antony iadiana, hoy angamba ny fanontaniana, fa manahy aho hoe matoa tsy mihetsi-bolomaso amin'izany ny Komitin'ny Miaramila dia sao sanatria sanatria miray tsikombakomba? aza misy anie izany! Na ataoko hoe tsy mila hevitra avy amina sivily aza ny tafika dia nilaza ny hevitro ihany aho. Izaho Soldat auxiliaire de 2eme classe nandritra ny fanompoam-pirenena ivelan'ny tafika kosa ve no hibaiko manamboninahitra ambony?



jentilisa, 9 jolay 2009 amin'ny 01:02 maraina.

Ny tetika famonoana ny tolon'ny ara-dalàna -fizarana faharoa-

2009-07-05 @ 11:43 in Politika

Ity lahatsoratra ity dia tohin'ny lahatsoratra nosoratako tamin'ny herinandro mitondra ny lohateny hoe : "Ny ako sy ny hevitra momba ny fankalazana ny 26 jona 2009 - fizarana voalohany-". Novaina kely ny lohateny iavahana tamin'ny teo aloha mazava loatra. Tamin'ny voalohany isika dia tsy nahita loatra ny tany amin'ny tolon'ny mpandàla ny ara-dalàna. Ato no amenoantsika azy. Hiezaka ny hanafohy azy noho ny tsy fahampian'ny fotoana.
Tsy hitako io taratasy io raha tsy efa nody aho

Fotoana nandrasana hatry ny ela tokoa ity fetim-pirenena ity hanaovana fety miavaka sy tiana ho tadidin'ny tantara. Tsy tontosa anefa izany araka ny fomba fijeriko satria tsy maintsy eo ihany koa ny mitady mandrakariva ny hanohintohina na hamotika ny tolona mihitsy aza. Misy asa avy ao anatin'ny tolona sy ivelany io fitadiavam-pandravana ny tolona io. Tsarovy fa tsy maintsy hitady izay handravana ny tolona ihany koa ny mpanongam-panjakana. Ny tena tsy zakany dia ny fidradradradrana mandrakariva fa amin'io andro io no iverenan'i dada. Efa hatramin'ny voalohany nandrenesako izay no nahalalako fa sarotra izany fahatongavany eto an-tanindrazany izany noho ny toe-java-misy.
Rehefa manahy ny mety ho trangan-javatra dia aleo mailo hatrany.
Ny harivan'ny 25 jona 2009 dia niomana ho amin'ny fandefasana afomanga etsy amin'ny farihin'ny Marais Masay ny mpanohana ny ara-dalàna, na ny marina kokoa dia izay no nolazain'ny mpitarika. Ny sarambambem-bahoaka no mamonjy io toerana malalaka dia malalaka io fa ny mpitari-tolona sy mpitarika fikambanana rehetra kosa mamonjy ny fivoriana manokana eny amin'ny Bel'Air Ampandrana araka ny fiantsoana natao ny omalin'io. Toerana efa fantatry ry zareo io na dia tsy lazaina ampahibemaso intsony aza. Teny Ampandrana no nakana an-keriny ny depiote Meme (Yves Aimé Rakotoarisoa) sy ireo niaraka taminy. Nisy ny nampandre ny namana mpitari-tolona avy hatrany raha vao nisy io tranga io ka niafenan'ny hafa. Nifanindran-dalana tamin'izany fakana an-keriny ny depiote Meme izany ihany koa ny nandrobàna ny fiara mpitondra ny fanamafisam-peo nahazo ny anaram-bositra hoe "Force One number Two". Ireo no fiandohan'ny teti-pandravana ny tolona nandritra ny fetim-pirenena.

Miandry fihetsika tsy voahevitra avy amin'ny mpitolona ho amin'ny ara-dalàna ny mpanongam-panjakana eto ary efa tsara petrapetraka mihitsy ny teti-panorona. Tezitra dia tezitra tokoa ireo mpandala ny ara-dalàna raha nahalala ny fisamborana sy ny fandrobàna fiara, tsy nety niala teo amoron'ny ranon'i Masay ry zareo raha tsy efa alimbe. Dia raikitra ny fifampiantsoana fa "hanao action" ny ampitso vao maraina ka hifamotoana eo ambavahady amin'ny valo ora maraina. Io no vovo nandrasan'ny mpanongam-pajakana satria raha vao misy ny fitenenana hoe "action" dia toa fanimbana sy fandravana avy hatrany no ao an-tsaina. Tsy misy akory manko ny filazana mazava hoe inona ilay "action" atao, hanaotao foana izany na miandry izay fihetsika ataon'ny iray amin'ny tangoron'olona dia raikitra izao. Tsy voatery ho mpitolona anefa no hanomboka izany fihetsika izany fa olona efa nahazo toromarika na voabaiko, ary mety ho ao anatin'ny singa mpandrava ny tolona mihitsy aza.

Tranga iray, mety ho tsy voamariky ny maro tamin'io famerimberenana ny "hanao action" io dia ny fihemoran'ny olona nihevitra ny hanao karazana fety teny amin'ny kianja malalaky ny Auditorium. Raha fianakaviana, ombam-bady aman-janaka no tokony ho tonga teny dia lasa ny tanora sy ny lehibe tena sahy sisa no nandeha noho ny fiahiana ny madinika, ny tsy tia gidragidra sy manahy indray sao hisy zavatra hanjo azy kosa naleony nijanona an-trano. Mihena be dia be avy hatrany ny isan'ny olona tokony ho tonga teny an-toerana tamin'io fotoana io. Nahazo isa 1 izany ny mpanongam-panjakana  rehefa tsy vahoaka maro be araka izay nandrasana no tonga. Nahatsapa izany ve ny mpitolona?

Nampiverina ilalana olona vitsivitsy ihany koa ny tonga dia nibahanan'ny mpitandro ny filaminana ny vavahadin'ny Auditorium. Handrangitra ankolaka ny olona hiditra amin'ny herisetra sy ny fanaovana fihetsika tsy voahevitra ihany koa io. Tora-bato ahafahana miditra an-tsehatra handrava tanteraka ny tolona no tena nandrasany saingy nisy ny andian'olona avy hatrany dia nanatona azy ireo ka niresaka tamin'izy ireo. Namaly moa ny mpitandro ny filaminana fa tsy mikasa na oviana na oviana ny hitifitra azy ireo rehefa tsy misy izay antony anaovany izany. Tadiavin-dry zareo ny hidiran'ny olona am-pilaminana ny kianja malalaky ny Auditorium fa tsy hanelingelina kosa ny fifamoivoizana. Ny horakoraka tsy ifandrenesana nataon'ny olona teny ampita sy lafiny atsimo somary mihamaro no nampihemotra ireo mpitandro ny filaminana ireo haka ny toerana ery amin'ny siniben-tsolika ery amin'ny 250m avaratra ery.

Eto amin'izay ny tranga iray nampisalasala ny maro ihany koa. Misy amin'izay ny andian-jatovo nibahabahana ny vavahadin'ny Auditorium na/sy ny arabe mifanolotra aminy mazava loatra. Raha jerena ivelany dia ny fiarakodia no sakanan-dry zalahy tsy handalo amin'ny lalambahoaka (rehefa tsy nifanarahana tokony tsy hatao e!) nefa ny fidiran'ny olona any amin'ny kianja izay mifefy mihitsy no tsapako sakanan-dry zalahy ireto. Voatery nanakatona ny vavahady mandrakariva ireo efa tao anatin'ny kianja iavahana sy tsy iraisana amin'ireo eo ivelany raisina avy hatrany ho mpanakorontana ireo. Mety ho nisy ireo tena tezitra tamin'ireo zatovo ireo, saingy nahamarika kosa aho fa olona tsy te-hiditra velively ao an-kianja ry zareo fa nitady mandrakariva ny handehanan'ny olona hirohotra any amin'ny toerana tsy fantatra, izany hoe tsy hita nanjavonana ry zalahy raha misy ny olona voatarika hihataka ny kianja fivoriana. Mazava loatra fa lasa maro ireo olona no tsy sahy niditra tao an-kianja fa niandriandry hatrany eny ivelany ahafahany mitsoka haingana raha misy ny sanatria. Teo aho no nahatsikaritra fa misy tovovavy niezaka mandrakariva ny handresy lahatra ny tovolahy mbola tsy niditra ny kianja, fa ny nahafaly ahy dia maro tamin'ireo tovolahy nohatonin'izy ireo no nandà avy hatrany fa raha tsy baiko ery amin'ny sehatra mihitsy dia tsy hanao izany "action" izany. Lasa nanara-maso azy ireo mihitsy aho ka hitako fa tsy niditra ny kianja mihitsy izy ireo fa nisy tovolahy naka tamin'ny scooters. Hafa avy hatrany ny hevitro fa nokaramaina handrangitra mihitsy ry zareo.
Tonga fanindroany indray ny zandary! efa nakaton'ny mpitolona ny vavahady iavahana amin'ireo any ivelany. NIverina tsimoramora ihany ry zareo avy eo!
Tsy mbola nisy velively ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso hatreto.

Ny nanampy trotraka nahatonga ny fisavoritahana sy firoanahan'ny mpitolona tamin'io andro io ihany koa dia simba ny iray amin'ny "gropy" famelomana ny fanamafisam-peo hany ka megaphone mampalahelo no niezahana hanentanana ny olona saingy tsy nahasehaka ny hamaroana mihitsy izany. Efa tamin'ny roa folakandro mihitsy vao voaarina ny fahasimbana ka teo vao nanomboka ny fomban'ny tolona rehetra. Niezaka hatrany aho ny hiandry hatramin'ny farany saingy milòna loatra ry zareo ny fotoana an! adiny iray sy sasany re raha be indrindra dia ampy fa manjary mankalao ny olona e! sa izany ihany koa no tadiavinareo, hamonoanareo tsikelikely ity tolona hamerenana ny ara-dalàna ity?
Hahavita inona moa iny Megaphone iny?
Fomba iray nentina nitazonana ny olona tsy hivoaka any ivelany ihany koa ny nijoron-dRazily niaraka tamin'ny baiboly sy ny saina (mbola nalainy ny baiboly avy eo!)
Nandritra izany fotoana izany, nanao ny nataony amin'izay ry zalahy teo ivelany, nitoraka ny fiaraben'ny Kaominina ry zalahy! Hitako tsara ilay nitoraka, ary vatokely (natao hampitahorana sa tsy tena sahy?) no nalefany. Mety ho niandry ny hafa sahisahy kokoa izy ireo nefa... Ny tena naharangitra an-dry zalahy dia ireo miaramila Frantsay, nanao fanamiana Frantsay roa lahy nandeha fiara nandalo teo. Fandranitana ihany koa ve?
Nandritra ny hiram-pirenena. Nanangan-tsaina izay nitondra izany!
Nahofahofa izany avy eo!
Rehefa nandeha araka ny mahazatra ny fandaharam-potoana dia nihataka tsikelikely ireo "mpanakorontana" teo am-bavahady. Tsapako fa nihanilamina sy tsy hendratrendratra intsony ny olona ka lasa aho namonjy fodiana amin'izay. Gaga aho rehefa avy eo nandre fa noravan'ny mpitandro ny filaminana ry zareo rehefa tokony ho tamin'ny dimy ora folakandro teo ho eo. Tsorika fa tsy azoko mihitsy ny nahatonga izany fihetsiky ny mpitandro ny filaminana izany. Rehefa tonga moa ny alatsinainy dia tafavoaka indray ny depiote Yves Aimé (Meme) ka nolazaina taminy fa afa-mivoaka izy satria tsy misy ny vesatra ahafahana mitazona azy. Resaka baomba manko no nilazana fa antony voalohany nisamborana azy. Izay no naharesy lahatra ahy tanteraka fa nisy tetika maty paika handravana ny tolona tao saingy nahombiazana kosa ry zareo tamin'ny fampiverenana ny olona tsy hiditra tao an-kianja, ireo tena sahy nefa tsy mila gidragidra sisa no nahasahy nitsofoka lalina. Tadidio fa misy vaovao tselatra hatrany ao amin'ny twitter-ko.

Nandritra ny hiram-pitolomana kosa ity sary ity! tsikaritrareo ihany angamba ny totohondrin'iny olona sady mihira.
An-dalana hody kosa izao rehefa nieritreritra fa tsy hisy zava-mitranga intsony!


 

jentilisa 5 jolay 2009, amin'ny 13: 44

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jolay 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox