Ny Tolona an-tononkalo

2010-01-31 @ 16:14 in Kolontsaina

Tsy dia maro ny tononkalon'ny tolona ary mampieritreritra aza indraindray hoe tankina hatreo angaha ny aingam-panahin'ny mpanoratra Malagasy no tsy dia ahitana tononkalo na hira fitolomana ankoatra ny "Iny Lalana Iny" izao toe-draharaha misy eto Madagasikara izao? Koa hanentsenana ny banga dia hanolotra manokana ireo tononkalo notsimponiko teny ho eny aho:


NITSO-DRANO

Ny sainao nikotrika
Ny tananao namotika
Fananam-pirenena
Sy harena sesehena

Ny vavanao nibaiko
Ny tongotrao nijaiko
handrava izay nijoro
nojerena an-tanam-polo

Moa tsy handatsa havana
Raha fitiavan-tanindrazana
No hadika sotasota
Moa tsy heloka sy ota

Mpandroba efa vonona
Lazaina fa mpitolona
Ka ny voina an-tsitra-po
No natao mahery fo

Fa ianao dia ianao indrindra
No nanainga tongotra namindra
nitso-drano hoe: mandehana!
Tanteraho ny fanimbana

Rakotobenja Léonard Efraïma


TSY IANAO

Tsy ianao no olona ory ry miaritra ny ngidiny
Tsy ianao mihitsy akory no lazaina ho faraidiny
Tsy ianao manao ny marina nefa indrisy fa sahirana
Na ianao izay te hiarina fa tsy manana hamikirana.

Tsy ianao manjoni-dava f'efa reraky ny tolona,
Na ianao mikombom-bava nony injay enjehin'olona.
Tsy ianao izay matin-kitsaka nefa tsy afaka mamaly
Tsy ianao mamitsapitsaka, matim-bono sy mijaly.

Fa ny farafahoriana dia ny manam-pahefana
Izay mampiasa habibiana fa ambonin'ny lalàna,
Satria senton'ny mpitolona no mozika fitsinjahany,
Ary ranomason'olona nomba hiram-pivavahany.

Ireo no farafahoriana tsy mahita fiadanana.
Ireo no ndeha hitomaniana f'efa maty am-pitsanganana.
Maty fa tsy vazivazy, vatana mijoro sisa,
Ka inoana fa tsy ho azy izany atao hoe paradisa.

Sedera Ravalison


AKON'ANTSAHAMANITRA

Toa tsinjoko misokatra ny lanitra, mitsiky indray ny ampitso
Tsy ho resinao ny marina, Andriamanitra tsy ho diso
Ny fahanginanay izay mino, tsy midika ho faharesena
Fa izahay na tsy miteny, miaina tokim-pamonjena

Araho anie ity tantara, tena nisy sy niainana sanatria tsy anganongano
Very ny asa fivelomana, fafy lainga, fandrahonana,maso be manganohano
Tsy zonao ny miteny, na hoe hilaza hevitra, sa ianao te ho voasambotra ?
Migadragadra fahatany, tsy afaka hiantso fahamarinana na koa mba hisarangotra

Miandrandra fahafahana sy tokim-piadanana isika malagasy,
Ka somary very hevitra sy toa niraviravy tanana ary koa nangasihasy
Fandrobana, fandravana,herisetra,mahatahotra ary tena tsy mitsitsy
Ireo no rivotra nafafy izay nataon-dralilison, ry Sarla, ny FIS

Nangina koa ny fiangonana, F'angaha tsy misy fahavononana?
Maromaro tsy hay tononina, no kivy ketraka sy tsy nahita fiononana,
Ary tsoriko etoana fa toa tsy nanana hery akory hamonjena fiangonana,
Toa resy ê, ka hany hery dia miandry eto ny fotoana izay higadonany

Ka hafaliana anie ny anay, nisentosento ravoravo fa toa misokatra ny lanitra
Raha vao nahare sy nilazana, fa isan-kasabotsy dia hofenoina Antsahamanitra
Hiaraka hanandra-bavaka, hiara-hihira fiderana, hiantso indray ilay Ray tsy To
Hijery ireto malagasy, trotraky ny tsy rariny ka miandrandra Indra Fo

Izaho mino, isika mino fa ny tanan'Andriamanitra dia mamikitra tsy manadino
Tan-Tsorony matanjaka, tsy hita maso, tsy mba raraka no nomeny antsika mino
Ka na basy marovava, miaramila sy forongony, no miatrana hanandevo vonona hamono
Andriamanitra no Niaro sy Niambina ny isan-tokony,tena tsapa tsy honohono

Ka andeha re ry Antananarivo, tsy resy ianao, fa mifohaza ary aza mety lao
Raiso ny baibolinao, ahondreho ny lohanao, antsoy ny Tompo izao dia zao,
Manokana ianao fotoana, isan'andro isan'ora, ka asandratonao ny Hanitra
Ankasitrahan'ilay Tompo,mandra-piandry ny sabotsy ho feno indray Antsahamanitra%

Tranainy, Afrika 20 janvier 2010 à 09H16


'ZAHAY

'Zahay dia tsy maintsy mamaky bantsilana
ireo izay tsy mety ka mila hotenenina.
Tsy tantinay mantsy raha toa mitongilana
Irony vilany kanefa tsy harenina.

'Zahay tsy hipetraka intsony ho mpitazana
Ny olona adala efa manary lamba.
Ho anay tena masina ny tanindrazana,
Tsy ampitantanina olona jamba.

'Zahay tsy hijanona intsony ho mpijery
Na hoe mpitehaka fotsiny ihany
F'ilay Gasikara tsy foinay ho very,
Tsy tianay hiverina ho zanatany.

'Zahay tsy hijanona intsony ho mpifatotra;
Alanay ny tady nangeja ny lasy.
Ny anay ny safidy, safidy efa matotra:
"Tsy mila mpanjanaka ny Malagasy".

Dadan'i Zina


MBA HO IRAY...

Mba ho iray no tarigetra
Sady vavaky ny mpino;
Saingy ny tsy marin-toetra
Dia mikimpy, manadino
Sy maneso ireo mivonona
Hampiray sy hampihavana;
Nefa mbola sahy mitonona,
Ho mpitory ny fitiavana.

Izany ve no hoe mpivavaka
Tena mendrika hoekena?
Sao mpamarina any an-davaka
Sy mpambotry firenena?

Mitomany anao ny lanitra
Ry minia mialangalana;
Ianao izay miantso an'Andriamanitra
Nefa dia mivily lalana.
Mitomany anao satria
Ny Mpaminany tena mendrika,
Sahy mijoro, miara-dia
Fa tsy mba miafinafin'endrika.

Sedera Ravalison


HANDRESY

Tsy maintsy misy zavatra mankarary fo
ety an-tany ety
Tsy maintsy misy ady mahavalaka ny loha
sy tena mankahia

Ao ny velam-pandrika, ao ny sotasota
hanakana ny dia
Ao ny fivadihana sy ny velina kanota
ataon'ireo tsy tia.

F'izao, izay mino sy matoky
an'Ilay Kristy
Handresy sy ho voasoratra amin'ny bokin'
ny fiainana doria.

Rakotomalala Rivoniaina Rija


REHEFA...

Rehefa anaovana herisetra ny olona ry fiangonana,
Na enjehina isan'andro sy iharam-pandrahonana;
Aminay ny toy izany dia porofo iray mazava
F'Andriamanitra mihitsy no efa notampenam-bava.

Rehefa aiditra am-ponja sady anaovana antsonjay
Ny namana mpanao gazety manapotsitra ny vay;
Aminay ny toy izany dia maneho sy manambara:
Didy jadona no iainana eto Madagasikara

Rehefa ampiharina isan'andro ny karazana amboletra:
Ka ny manam-pahefana lasa rain'ny herisetra;
Aminay ny toy izany dia midika tsotr'izao
F'ianao mitonona ho mpitondra no efa "tsisy kalitao"

Rehefa hita miharihary f'efa lo ny fitondrana,
Fa ny olona tsy marina no arovan'ny lalàna;
Aminay ny toy izany fitondrana tsy azo ekena:
Mila arodana avy hatrany fa manimba firenena.

Sedera Ravalison (13 janoary 2010)


Marihina fa ireo rehetra ireo dia nalaina tao amin'ny gazety Tia Tanindrazana nivoaka nandritra ity volana janoary 2010 hivalona ity avokoa. Raha te-hametraka hevitra na hanohy ny aingam-panahin'ireo mpanoratra ireo ianao dia tsarovy ny mametraka izay soratanao amina vakiraoka (brouillon) aloha; avy eo dia ankotrihinao ny takelaka (actualiser) dia apetrakao amin'ny toerana fametrahana azy ny lahatsoratrao ary feboinao avokoa izay tokony fenoina dia mirary aho fa tsy ho tratran'ilay filazana hoe tsy mahazo alalana hametraka hevitra iny ianao.



jentilisa, alahady 31 janoary 2010 amin'ny 18:18

26 janoary 2009 nakana hevitra tamina roman gasy

2010-01-25 @ 21:37 in Ankapobeny

Mety tsy hampino anareo ny zavatra lazaiko saingy rehefa namaky ity boky ity aho dia resy lahatra ihany fa nakana saina tamina roman (tantara noforonina malagasy) ihany ny zava-nitranga tamin'iny 26 janoary 2010 iny. Holazaiko anareo eo ihany ny antony fa hiresaka zavatra manodidina ity tantara nampahonena teto amin'ny firenena ity ihany isika.

Tsikaritra kely tamin'ny TVM

Nijery baolina ny tena ka teo amin'ny firavana ara-dalàna nisarahana ady sahala dia nandefa vaovao kely ny vaovao an-tsarin'ny TVM. Fanararaotra hamoahana ny vaovaon'ny fitondrana tokoa ny fotoana mahavory lanona ny mpankafy baolina fandaka sahala amin'izao sady samy ekipa goavana rahateo no nifanandrina. Mialoha izany, amin'ny maha-alatsinainy ny andro dia nampahatsiahy ny zava-nisy andro alatsinainy tahaka izao tamin'ny herintaona ny televiziona, sary hafa mbola tsy nivoaka firy tamin'ny haino aman-jery samihafa. Ny famakiana sy ny rodorodo efa hitantsika taty amin'ny aterineto ihany fa ity iray ity no mbola tsy nivoaka firy.

Tovolahy iray no nitondra karazana farango vy anankiroa, nahazo ny terrasse, sady misy kiririoka teny ambavany no namaky fitaratra tranobe vaovao tamin'ny farango roa nentiny. Heno tsara ny hatezeran'ny olona sy ny fandavana tsy hanaovana ilay fomba ratsy fa tsy noraharahiany izany. Ny tsy tao an-tsain'ilay tovolahy dia nisy badge mavomavo niambozonan-dranamana. Tsy nahatsikaritra io aho fa ilay teo akaikiko no nihoraka avy hatrany ka nanaitra ahy ihany koa ny fisiany. Anisan'ny mpiandraikitra ny tolona ve ranamana io raha niambozona badge teny an-tratrany? Na tsy mety miroso aza ny famotorana tsy maintsy lazaina izay tsikaritra izay ho singa hanaovana ny fanadihadiana rahatrizay.


Tsy sahin'ny ankilany mafana fo lazaina loatra

Misy ireo olona minia mampitadidy ny maha-alatsinainy nisian'ilay androm-pisaonana teto amin'ny firenena. Tsy à l'aise loatra indray anefa ny tena mafana fo tamin'ireny tolona nataony ireny rehefa hotsarovana ity andro iray ity. Minia tsy miresaka mihitsy ry zareo raha ny alatsinainy izay aloha no lazaina fa ny talata 26 janoary 2010 no tsy fantatra hanao ahoana amin'izay ny ho resaka. Angamba hieritreritra ny ho fialana bala amin'izay adihevitra mety hitranga ry zareo saingy rano raraka tsy azo raofina intsony ireny ka aleo samy hitsakotsako izay vitany.

Ny tena mahalasa vinany koa dia toa tadiavin'ny mpitarika ny tolona hamerenana ny ara-dalàna handalovana fotsiny ihany koa ity andro fahatsiaroavana iray ity. Tena tsy manana hevitra mihitsy ve ry zareo sa tena tsy azo idirana intsony mihitsy ny ery amin'ny Auditorium Ankorondrano no tsy mba misy mari-pahatsiarovana bitika hatao amin'ity andro iray ity herintaona katroka aty aoriana? Hamela mari-pahatsiarovana ihany angamba ny tena hanamarika fa tolon'olo-tsotra no tena iaingan'ny tamin'izao fotoana izao sady tsy mbola hita ireo milaza ho mpitari-tolona amin'izao fotoana izao tamin'izany fotoana izany. Sa horarana ve ny fidirana ny Magro Ankorondrano? Tsy nandrenensana fanomanana mihitsy aloha fa dia an'ny tsirairay ihany angamba no manao izay tsiaro mangina ataony.


Rotaka maty paika

Hiverina amin'ny lohateny amin'izay aho. Efa hanakaiky ny roa volana sahady izay no namakiako voalohany ity tantara noforonina malagasy ity. Faralahy Idealy Soa zanany no nanoratra azy tamin'ny taona 1978 ary natonta fanindroany tamin'ny 2005. "Rotaka maty paika" no lohatenin'ny boky ary navoakan'ny Edisiona Takariva. Mbola olon-kafa ihany koa no nanoro ahy ity boky ity ary nahavariana ny Fintina nataony tany amin'ny fonom-boky farany. Izao no voasoratra:

"Fa iza hono no fahavalo? Ny Sinoa angaha? Tsia tsy ny Sinoa akory ka... Ny Karana? Tsy ny Karana akory ka... Fa iza? Ny Vazaha fotsy hoditra?... Tsia, tsy ny Vazaha hono ka... Fa iza ary? Ny Malagasy hono. Ahoana?... Ny Malagasy hono no enjehina e!... Fa iza no manenjika? Ny Malagasy ihany hoe...!
...   ...   ...   ...

Tsitapitapitr'izay dia nanomboka ny rotaka mahery setra nanodidina ny tanàna ... Nanomboka teo dia tsy fantatra intsony ny asan'ny mpanararaotra sy ny tena vokatry ny hatezeran'ny olona... Ny hita diananenika ny tanàna izany herisetra izany... Maro ny olona no namoy ny ainy. Maro koa ny naratra. Maro ny nandositra ..."

Hatreo ihany dia tsy maintsy ho taitra ny tena hoe fa ahoana tokoa ity boky ity? Fa ny fizarana fahatelo teo amin'ny fonomboky aloha no tsy mbola nisy nanatanteraka tamin'iny tolona 2009 iny : " Lehilahy efatra... nitambatra tamin'ny lehilahy iray... efa ho torana ... mangan'ny daka sy ny vely langilangy ... "Ilazao ireo naman'ialahy fa tsy matahotra anareo  mihitsy izahay... Ialahy isany no manao an'ialahy isay ho iza? ... Raha tsy tapitra tamingana ianareo tsy avelanay!"

Mazava loatra fa raha oloa niaina ny zava-nisy teto amin'ny firenena tsy maintsy ho liana tamin'izay voasoratra tao anatiny, sambany indray i Jentilisa no hamaky boky tantara noforonina. Efa ela tokoa izay. Nahavariana ny fifanandrifian-javatra! Manana pejy 154 aloha ilay boky... Fohifohy ihany. Handeha hatsidika vetivety hatrany amin'ny farany ny tantara. Toy izao no voasoratra:
 
"Ny tetika farany tamin'ity tetika mandoza ity dia ny fandraisan'ny tanora anjara amin'ny fihetsiketsehana. Efa vonona avokoa ny  fomba hanodikodinana ny fitakian'ny tanora ka hahatonga ny fihetsiketsehana nomaniny ho fifandonana amin'ny Tafika sy ny fitondrana isan-tsokajiny ary indrindra ny fifandemena amin'ny masoivohom-pirenena vahiny eto an-toerana. Amin'izay mantsy dia ho mora foana sy ho voamarina ny fandraisan'ny miaramila vahiny anjara amin'ny korontana : Ho fiarovana ireo terantany vahiny no lazaina nefa dia hanampy trotraka ny fisavorovoroana no ahatongavany eto amin'ny Nosy. Raha ny marina dia hametraka eo amin'ny toerany ilay saribakoly efa azony antoka fa hahazoany vahana indray any aoriana any no na antony." p.153

Mahavariana ny tantara! Dia fifanandrifian-javatra fotsiny ve ny tolona 2009 sy ity roman mitondra ny lohateny hoe "Rotaka maty paika" nosoratana tamin'ny 1978 ity ary i Andry no "heros" ao anatiny?

Ny ambangovangon'ny tantara

Teto Antananarivo sy tany Toamasina ary tany Mahajanga no niseho ny tantara. Nisy olona nanakarama ireo mpanendaka sy jiolahy monina eny ambany tanàna (tetezan'i Bekiraro sy Ilanivato) handeha hamaky toeram-pivarotana maro tany Toamasina dia avy eo indray hamono olona na foko tany Mahajanga. Ankoatra ny karama dia tombony ho azy ireo ny fahazoana ny zavatra norobaina ho entiny mody any an-tranony. Ireo jiolahy ireo no tena niasa mafy tamin'ny fanaovana rotaka tao amin'ilay tantara satria ireo no mpitarika hita maso tamin'ny fibaikoana ny andian'olona nentiny handroba na hamono olona. Mandeha fiara fitaterana sahala amin'ny olon-drehetra ry zalahy jiolahy ireo hamonjy ny toerana hanatontosana ny iraka. Kitapo am-bambena kely ihany no entiny amin'izany famitana ny iraka nataony izany.

Izay mahalala ny tantara nitranga teto Madagasikara dia hahatsiaro avy hatrany ny fandrobana ny toeram-piarotana tany amin'ny bloc commercial tany Toamasina tamin'ny 1973 izay namakiana sy nandoroana ihany koa ny toeram-pivatorana an'ny Merina. Raha mitodika tamin'ny famonoana tany Mahajanga indray dia ny fandripahana ny Komoriana tamin'ny 1977 avy hatrany no ao an-tsaina. Izany hoe ny mpanoratra eto dia avy tamin'ny zava-nisy teto teto Madagasikara ihany no namboariny ho lasa tantara noforonina; nefa ilay hevitra tao anatiny hanaovana ilay rotaka indray, raha ny fijeriko azy no nakan'ny sasany hevitra ka nanaovany ny tolona 2009 ka tsy afa-misaraka amin'izany ilay 26 janoary 2009 nandrobana sy nanimbana ny fananam-pirenena sy fananan'olo-tsotra izay an'ny Malagasy (sy an'ny Shinoa koa ny manaraka noho ny CITIC sy ny Supreme Center izay Malagasy ihany no mitana ny toera-mpivarotana maro tao anatiny) fa tsy voakitika kosa ny an'ny Karana sy ny Frantsay.

Tahaka izay sy tahaka izany ilay tantara novakiako roa volana latsaka izay koa asa raha tamin'ity tantara noforonina ity tokoa no nanaovan-dry zalahy ity 26 janoary 2009 ity na sendra izay fifanandrifian-javatra nahavariana ihany ny mpanoratra. Mba ahoana kosa ny hevitrao? Raha hametraka hevitra ianao dia ataovy vakiraoka aloha izay tian-kampitaina dia ankotriho (actualiser) ny takelaka dia apetraho amin'izay ilay hevitrao fa tokony hety izy avy eo.



Jentilisa, 25 janoary 2010 amin'ny 23:44

Vavaka mampigadra

2010-01-21 @ 21:54 in Andavanandro

Efa nisinisy ihany ny nitantara ny zava-nitranga ny alakamisy 21 janoary eto amin'ny tontolom-bolongana malagasy. Mety kosa angamba raha mitantara izay hitako aho. Efa fofona manempotra no niandry anay teo amin'ny fandraisana fiara fitaterana teo Anosy manoloana ny Carlton sy ny radiom-pirenena. Tsy navelan'ny miaramila nijanona teo loatra ny fiara fa tereny handeha avy hatrany ary norarany tsy hahazo mijanona miandry fiara fitaterana eo ny olona. Heveriko fa ny tena naharomotra an-dry zalahy ireo dia hita fa betsaka amin'ny mpitolona teo no mpanohana an-d Ravalomanana, nefa tsy zakan-dry zalahy mihitsy ny tahaka izay. Tsy niala teo moa izahay mazava loatra. Teny antenantenan-dalana izahay no niala noho ny fitohanan'ny fiara... izany hoe tsy nisy valy bontana avy amin'ny olo-tsotra velively ka namaliana ireo mpitana ny fitaovam-piadiana ireo ary tsy nisy tapikana vato nitorahana mihitsy tavela teny amin'ny arabe.


Eny amin'ny arret eny Anosy manoloana sy ampitan'ny cité Jardin dia feno olona mijoro ihany koa, fantatra ireo fa tsy handray fiara velively fa miandry zavatra na manantontosa ny anjara tolony. Misy kosa ireo mpitana fitaovam-piadiana no aviavy amin'ny olona eo ka mandroandroaka sy manao ramatahora, eny fa na dia ireo olona any anaty fiara aza. Ny tena mafana fo amin'ny famoretana olona moa dia ny zandary (misatro-mainty), misy ny olona mihataka (miampita ny arabe) ary misy ny tsy mihetsika mazava loatra fa mijanona eo ihany. Ny zaridaina dia tsy azo ipetrapetrahana fa an'ny mpitana fitaovam-piadiana irery. Lasa misy sary vaovao mipetraka rehefa mahita izany tranga rehetra izany: sahala amin'ny hoe tsy azo idiran'olo-tsotra intsony ny zaridaina rehetra manerana ny tanàna.


Manaraka izany indray dia hiresaka kely ny lohateny aho. Nivezivezy ihany koa moa ny tena nijery hatrany ny teny amin'ny manodidina teny. Hita fa nisy andian'olona nipetraka nanemitra ny fefy avaratra (ivelany) amin'ny zaridainan'Anosy. Marihina indray fa olon-dehibe retirety sy vehivavy avokoa ny ankamaroan'izy ireo. Maimbo rà indray ireo zandary efa niambina ilay fiantsoana manoloana ny Carlton ka niantso ny namany. Raikitra indray ny  fandefasana baomba mandatsa-dranomaso ka voan'ilay bolongana iny tao anaty olona tao ny tovolahy iray. Naratra mihitsy moa izy io. Nahita izany ny ramatoa iray fa tonga dia nivavaka sy nandroaka devoly. Nampiempo ny mpitana fitaovam-piadiana angaha izany ka dia ny zanany avy hatrany no noraofin-dry zalahy. Nanaraka ho azy ramatoa... tsy nety nitsoaka moa izy ireo ka izay angaha no nanaovana ny fisamborana... Tsy nisy tora-bato tsy nisy fandrangitana velively tao anatin'izany fa olona nangina sy mipetraka no anaovan-dry zalahy fanamparan-kery. Sary voataratra ao anatin'izany: Miady amin'ny fanahy ratsy ny mpitolona ka tsy mba mamaly velively ny fihetsika ataon'ny mpitana ny fitaovam-piadiana... Ny fanahy ratsy no roahiny tsy hanjaka. Setrin'izany dia romodromotra aoka izany ireo mpitana fitaovam-piadiana te-hampiditra ny ady amin'ny nofo aman-dra... ary dia ny olo-tsotra tsy nanao ratsy na inona na inona azy no roadroahiny.


Maro an'isa amin'ireo mpitandro ny filaminana no mijoro fotsiny tsy manao na inona na inona fa iretsy vitsy an'isa iretsy no tsy fantatra intsony na entin'inona na entin'inona. Mpitana fitaovam-piadiana sivy kamiao miampy ireo avy amin'ny hery manokana mandeha amin'ny fiara tsy mataho-dalan-dratsy no tazana teny amin'ny manodidina teny. Mihinan-kanina fotsiny no ataony rehefa maraina fa manohana sahady ho fiomanany ny tolakandro angaha!



Tsy an-tsain'ny tena mpitolona velively ny hanao herisetra


Misy fanaovana dinika mavitrika amin'ny fanehoan-kevitra izay eto amin'ny aterineto fitsapako hatrany ny zavatra hitranga ny ampitso sy ny tetiky ny mpanakorontana. Ankehitriny dia velona indray ny fampirisihana ny hitora-bato na hitoraka flesy, handoro kodiarana, sy hevitra hafa ao amin'io fanaovana dinika io ho fampiomanana valifaty mandrakariva. Rehefa mahita hafatra sahala amin'ireny aho dia miahiahy avy hatrany fa ho avy hanao ny ataony indray ny mpanakorontana ny zoma 22 janoary 2010, hanao tetika handravana ny tolona ampilaminana izay tsy mamaly hery ny fampiasan-kery na dia na dia iharan'ny fanenjehana aza. Amin'izay fotoana izay ihany koa dia mba manana rariny ahay ny miaramila ny handrava ny hetsika fa tsy ry zareo indray no manakorontana sahala amin'izay nitranga ny alakamisy 21 janoary 2010.


Rehefa misy hatrany ny sakoroka dia misy ireo andian-jatovo mikendry ny hanararaotra mihazakazaka mafy nefa mitetika handrava tsena, sady any avy hatrany ny lalan'izy ireny. Ny tena mpitolona kosa miala tsimoramora ihany raha miala fa tsy mihazakazaka velively, sady ny ampahany betsaka amin'ireo mpitolona ireo dia aoka hotsorina fa tsy hahavita hihazakazaka noho ny fahanterany sy ny fahalemeny (ny antitra sy ny vehivavy no tena maro an'isa). Tsy misy mamaly tora-bato ny fandroahana ataon'ireo zandary ireo. Miaiky ny herimpon'izy ireo aho rehefa nahita azy ireny manerana an'Anosy, ary fantatra avy hatrany izy rehetra rehefa mandeha eny, eny fa na dia tsy mitondra sorabaventy sy tsy mihogahoga akory aza ry zareo(namana nahita tsara ny zava-nitranga sady manana bolongana rahateo no nahafantarako fa nihira ireo olona teo anoloan'ny Carlton, tranga izay efa novinavinaiko hisy mihitsy tamin'io andron'ny alakamisy io). Koa iangaviana ianareo miketrika herisetra hampitsahatra izany fikasanareo izany fa tsy vahaolana mihitsy izany indrindra manoloana ny hery tsy mitovy.


Fanamarihana kely

Dia efa vita tokoa angaha ny tolon'ny tanora na tsy mifanaraka amin'ny revin'ny tanora izy ity fa tsy dia hitahita loatra izy ireo. Tsy ampy fanentanana ve sa leo politika sahady? Tokony hisaina kosa anefa izy ireo hoe nahoana moa ireo olon-dehibe izay retirety sy manakaiky ny retirety ny ankamaroany no tsy laitra fa mandeha mitolona hatrany na dia efa fantany izao ny miandry azy? Sao dia lasa mahatsiaro ny endrika ratsy niainana nandritra ny fanjanahantany izy ireo ka miezaka ny hampiverina araka izay tratry ny heriny amin'ny famerenana indray ny fahaleovantena? Fanairana mandrakariva ireo izay mahatsapa ho manana andraikitra manoloana ny zavamisy eto amin'ny firenena no ataoko. Miandry toe-javatra hafa ny olona sa dia efa voafehy tanteraka ny reska fitsikilovana ka tsy misy intsony ny afaka mandray ny andraikitra tandrify azy?



Jentilisa, Zoma 22 janoary  2010 amin'ny 00:00

Ny fandrika natao tamin ny tolona...

2010-01-20 @ 22:49 in Politika

Misy tohiny ny lohateny fa averiko tsara indray mandeha: "Ny fandrika natao tamin'ny tolona indray no mety hahatafavoaka azy!" Toa hafahafa ihany  ilay lohateny saingy taratra avy amin'ny zavatra notantaraina tamiko ny 20 janoary 2010 no nahatonga ahy hametraka io lohateny io. Tolona ataon'ny ankolafy telo no lazaiko eto fa tsy ny an'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana.


Fiantsoana ho eny an-dalambe

Nanomboka tamin'ny Asabotsy teo dia eny Anosy indray no hanatanterahan'ny ankolafy telo ny fihetsiketsehana izay ataony. Azo lazaina fa tsara fanombohana sady nahagaga indrindra io fotoana io satria tsy noravana tamin'ny alalan'ny baomba mandatsa-dranomaso io fivoriana an-dalambe io. Ny niantsoana ny olona moa dia ny hoe hametraka ny mpikambana ao amin'ny parlemanta etsy Anosy. Fomba nenti-niantso io fa efa nazavazava ihany fa eny no hamoriana ny olona rehefa tsy ho eny Ankorondrano anatin'ny kianjan'ny ara-dalàna intsony. Tsy hisy velively izany fametrahana mpikambana izany fa fiomanana ny fahatongavan'ny mpanelanelana avy any ivelany amin'ity herinandro ity no tanjona voalohany. Malalaka sady be toerana azo ivoriana eny ka azo atao tsara ny mifindrafindra.


Fisovohan'ny mpanakorontana

Hatramin'ny andron'ny Asabotsy io indrindra dia nanomboka ny nataony ihany koa ny mpanakorontana izay mazava loatra fa manaraka ny baiko hanapotehana amin'ny fomba rehetra ny tolona sy ny fanasoketana azy. Azo heverina ho olona tsy voafehy ihany koa izy ireo saingy ny zavatra efa hitako no tsy dia maharesy lahatra ahy ka milaza fa manana "atidoha" manakarama mihitsy izy ireo. Tsikaritra voalohany, hariva amin'ny enina hariva, izany hoe efa lasa adiny iray raha haingana indrindra ny mpitolona teny vao nanomboka ny fanendahana vahiny Eoropeana sy ny fitorahana fiara nataon-dry zalahy ireo. Efa taratara angaha ny baiko sy ny fanangonana an-dry zalahy ka izay vao nanaomboka ny "action" ry zalahy.

Ny andro manaraka kosa, ny alatsinainy io, dia efa tonga alohaloha sy nifangaroharo tamin'ny tena mpitolona amin'izay ry zalahy ka dia manana fotoana hanasoketana tsara ny mpitolona saingy mbola vitsy moa ka tsy voamarika loatra. Nahavariana tamin'io alatsinainy io fa na dia efa feno miaramila aza ny toerana nivoriana farany dia mbola afa-nanao ny fihetsiketsehana sy ny kabary teo ihany ny mpitarika rehefa tonga ny tolakandro. Nitombo avo roa heny noho ny Asabotsy ny hamaroan'ny mpitandro ny filaminana saingy tsy nahoan'ny olona izany. Nihanitsiry ny fanantenan'ny olona fa misy zavatra mitranga matoa tsy sahy nanapoka baomba mandatsa-dranomaso ihany ny mpitandro ny filaminana teo.

Ny andro fahatelo, mpitandro ny filaminana 15 kamiao be izao miampy ireo anaty fiara tsy mataho-dalana sy fiara avy amin'ny sampana manokana (FIS) no nanemitra ny toerana. Nihabetsaka ny olona nandrangitra azy ireo amin'ny fitaovam-piadiana eny ampelatanany indrindra fa ny mpampiasa lalana noho ny fibahambahanan-dry zareo na fiedinedin'izy ireo eny afovoan'arabe. Hay efa vonona avokoa ny ekipa sy ny teknikam-pandravana ny tolona. Tany amin'ny toerana nivorivorian'ny vehivavy no nandefasan-dry zalahy ny baomba mandatsa-dranomaso iray dia raikitra amin'izay ny famotehana ny fananana iombonana teny amin'ny manodidina ka ny nivandravandra voalohany indrindra dia ny fandravana ireo sezavato teo amin'ny zaridainan'i Mahamasina. Tetika efa vita omana ireny ary olona efa voaomana no nanao azy. Ny fahadisoana nataon'ny mpitolona dia ny tsy nandrara ireo olona ireo fa namela fotsiny amin'izao. Io sy ny toratora-bato natao no nahafahan'ny mpitandro ny filaminana nandrava amin'izay ny tolona. Ny tetika ambadik'izay dia ny tsy hampazoto intsony ireo izay mbola mpankeny Anosy-mahamasina. Manginy fotsiny moa ny fahitana fa tena niova mihitsy ireo karazan'olona mandrafitra ny ankamaroan'ny mpitolona fa tsy mitovitovy intsony tamin'izay teny amin'ny kiaanjan'ny ara-dalàna Ankorondrano.


By the river on Babylone

Noheverina amin'izay fa ho lao tsy hazoto intsony ny mpitolona ny andro fahaefatra, izany hoe olona vitsivitsy tsy manaiky lembenana nefa tsy ho afa-maneho ny heviny ankahalalahana intsony no sisa ho tazana eny amin'ny manodidina an'Anosy sy Mahamasina. Nahomby tamin'ny ampahany ihany izany tetika izany fa nisy olona nanana aingam-panahy tamin'ireo tsy nanaiky lembenana ireo. Lasa nihirahira indray ny olona ka ny hiram-pivavahana (Be indray no tsy hahazaka ny filazana izany) sy ny hiram-pitiavan-tanindrazana ary ny hiram-pampihavanana toy ny "Mifankativa ihany" no nanakoako tamin'iny toerana iny. Tsaroako ilay hira malaza nataon'ny tarika Boney M fahiny, izay notsilovina avy amin'ny Fitarainan'ny Jiosy natao sesintany tany Babylona voasoratra ao amin'ny baiboly (Jeremia), rehefa reko tamin'ny Radio Fahazavana ny akony. Tsy miteny ny hamaroan'ny olona mihitsy aho eto fa ny fahasahiana nataon'izy ireo kosa. Tsy voatery hoe niara- nivorivory  nifanizina tamin'ny toerana iray ireo mpihira fa niparitaka teny rehetra teny. Tsy nisy intsony ny fihantsiana ny miaramila nefa tafala tanteraka ihany koa ny tahotra ireo mampideradera fitaovam-piadiana. Nitsimoka tsikelikely tokoa ilay hoe ny Hery tsy mahaleo ny fanahy. Lasa nihatakataka indray ireo mpitandro ny filaminana efa nanatomotra dia nanatomotra teo, tsy hitany izay tokony atao. Izany no tolona ampilaminana !

Raha nandinika izany rehetra izany aho dia tonga ho azy tamin'ny fieritreretana fa hifindra lasy manoloana ny Carlton amin'izay ny mpitolona "hampiseho" amin'ny vahiny ny heviny. Efa hain'ny olona ny mifindrafindra toerana ka tsy hananosarotra ho azy ireo ny hankeny. Hay moa ka nisy antso nataon'ny mpihaino ny Radio Fahazavana iray nanao izay fanentanana izay ihany koa. Be hoaho ny mitovitovy sainina ny olona ka azo inoana fa mahafantatra avy hatrany ny tokony hataony ny tsirairay. Dia samy hanara-baovao isika hahafantatra izay mitranga amin'ity tontolo andron'ny Alakamisy 21 janoary ity.


Jentilisa, alakamisy 21 janoary 2010 amin'ny 00:55


Maharesaka 19 janoary 2010

2010-01-18 @ 21:47 in Ankapobeny

Fintim-baovao sy fanehoan-kevitra manoloana ny lohahevitra maro mafana amin'izao fotoana izao indray no ambarako aloha. Somary miainga amin'ny loharano nanoratako tamin'ny aterineto voalohany indrindra indray aho izao; saingy tsy fampitana izay voalazan'ny Karajia na Kidaona maraina intsony no hambarako fa ny hevitro sy ny fomba fijeriko amin'ny ankapobeny.


Vola baoritra hoe?

Olana diso toerana amiko ny fanasongadinana io zavatra iray io na dia mety hisy aza ny fahamarinany. Ny fitiavan-tanindrazana no mametrka mba tsy hamotehana ny toe-karena malagasy efa mareforefo amin'izao fotoana izao. Mariky ny Fiandrianam-pirenena Malagasy ny vola malagasy ka tsy tsara ny manasoketa azy na dia hoe misy aza ny fanapariahana amin'ny alalan'ny banky, sampan-draharaha mikirakira vola ireo vola lazaina ho "sandoka tena izy". 


Fitakiana fanondrotan-karama

Mifanindran-dalana amin'ny etsy ambony ihany. Tsy mety ihany koa ny fitakiana fanondrotan-karana izay misy manao amin'izao fotoana izao. Firenena nalatsaka tanaty krizy ve dia mbola itadiavana fanondrotan-karana ihany? Fahadisoan-kevitra ao amin'ny mpitaky azy angaha ny fiheverana fa tsy miova mihitsy io sandam-bola io no mahatonga azy ireo hanao ity fitakiana diso andro ity araka ny fijeriko. Ny fitakiana sahala amin'itonymihitsy no mahatonga ny famoronana vola izay maromiahiahy amin'izao fotoana izao. Vitan'ny mifehy ny fahefana amin'izao ny mampisondrotra ny karana fa tsy miantoka ny sandany kosa izy avy eo. Samia mieritreritra! mila fanapahan-kevitra henjana ny sahala amin'itony.


Fidiran'ny SADC eto Madagasikara?

Soso-kevitra nataona filoha Afrikana iray io fa tsy fanapahan-kevitra tsy akory. Ny haino aman-jery manana ny tombotsoany amin'izany hevitra lazaiko hoe taingina izany no tena mivoy azy fatratra. Tsy tsara velively io hevitra io satria manjary mampiray indray ny tafika efa miroanahana amin'izao fotoana izao raha jerena. Nosy ny Firenena ka manana foto-pisainana hafahafa kokoa noho ireo firenena manana sisintany mivantana amina firenen-kafa. Izay firenena mandefa voalohany amin'ny fomba ofisialy eo no lasa hotoherin'ny tafika tafavondrona. Tsy vahaolana noho izany amin'izao fotoana izao izany mandefa tafika eto Madagasikara izany. Aleo ny eto ihany no hahatsapa tena fa tsy mila vonovonoina fahatany ny olona.


Monja Roindefo

Tahaka ny hoe ho avy hanatevin-daharana ny Ankolafy Madagasikara ny Praiminisitry ny FAT teo aloha. Tsara dia tsara anefa ny mihaino tsara izay nolazaina. Andrasana ny hahatongavany, Hoy i Manandafy. Tsy midika velively izany fa efa tafiditra anaty hetsika ihany koa ranamana, fa fanantenana sy firariana ny an'ilay niteny azy. Nahavory olona izy tany Toliary ka noarahabainy tamin'izany i Monja Roindefo. Hatreo ny tena azo antoka fa ny ankoatra izay dia fanombanana diso fipetraka avokoa.


Fandisoam-baovao

Tena misy dia misy tokoa amin'ny mpanao gazety no tena kinga dia kinga tokoa amin'ny fandisoam-baovao. Tsy voatery hoe diso ny zavatra ambarany fa ny fomba filazany azy no mety haharoboka ny olona hieritreritra zavatra diso sy mifanohitra tanteraka tamin'izay nambara marina. Tao amin'ny TVM ny alahady halina, raha nanambara ny mikasika ny fotoam-pivavahana notontosaina tao Antsahamanitra ry zareo dia nambarany fa nandritra ny toriteny dia niompana amin'ny hoe: "Miposaka ny fanantenana vaovao" ny ventin-kevitra lehibe. Misy teny toa io tokoa nataon'ny mpitoriteny saingy tsy araka izay nitateran'ny mpanao gazety azy velively. Raha io fotsiny no henoina na vakiana dia sahala amin'ny manao ankolaka ny mpitoriteny hoe ny FAT no fanantenana vaovao.

Tahaka izao manaraka izao ny foto-kevitra fampidirana nataon'ny mpitoriteny ho tahiry ho an'ny taranaka izay tena nambara tokoa raha sanatria very ny tahirim-peo: "Hitory ny Lalàm-panafahana vaovao na fampanantenana vaovao satria kivy sy ketraka ary miraviravy tanana ny vahoakan'Andriamanitra." Ny asa hatao dia ny hanambara ny hafatry ny Tompo, raha nanana andraikitra telo i Jesoa dia ny maha-Mpanjaka Azy, ny maha-Mpisoronabe Azy ary ny maha-Mpaminany Azy. Jesoa tenany no efa nilaza fa raha misy mino Azy dia ny asa ataoKo (Jesoa) no ataony koa, noho izany manao ny asa maha-mpaminany azy ny fiangonana. Tsy tokony hihoatra amin'izay ambara izay tandrify ho an'izay kivy sy very fanantenana ny teny rehefa manambara izay nolazain'Andriamanitra. Rehefa tsy miteny ny fiangonana dia feo hafa tsy avy amin'Andriamanitra no ho tonga any an-tsofin'ny olona.


Hatreo ihany aloha fa dia afaka mametraka ny VETO ny mpamaky. Na dia noadinoina aza ny maha-andron'i Martin Luther King ity daty eto ambany ity any Etazonia indrindra indrindra.




Jentilisa, 18 janoary 2010 amin'ny 23:52

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Janoary 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
31            
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox