Mitafy henatra?

2010-03-31 @ 10:43 in Politika

Elaela no tsy nanoratra ny tena. Niniana ihany rehefa nodinihana na dia mety ho nisy aza ny fahakamoana. Ankatoky ny herintaona nandrombaham-pahefana indrindra izany fotoana nanoratana farany izany. Sorena ny tena tamin'izany fotoana izany, noho ny filazan'ny mpitarika hoe hofaranana ny tolona, ary dia karazan'ny nofaranan-dry zareo tokoa tamin'io tsingerintaon' io fandrombaham-pahefana io. Efa miharihary izao fa tsy maintsy hisedra baomba manempotra raha vao miditra an-dalambe izany fa dia natao ihany. Raha mitarika ireo olona ry zareo leoko ihany fa dia tsy hitahita satria matahotra ny hosamborina angamba. Olona iray ihany no mahasahisahy vinany... dia ilay tsy tian-dry zareo hosamborina satria tsy misy dikany na dia mba mpitarika ao amin'ny mpandala ny ara-dalàna ihany aza. Fa hisy aloha ny fihomehezana raha hisy ihany ny fisamborana azy...


Tsy manana paika atokona intsony ve ireo mpitarika ny mpandala ny ara-dalàna? Eo amin'ny lafiny toe-tsaina rehefa ny zavatra no niorina herintaona dia karazan'ny tafajoro tsara izy na misy aza ny manelingelina. Fahadisoana ny tsy mba hihainoan-dry zareo mihitsy ny tolo-kevitry ny olo-tsotra hoe ataovy isan-kerinadro io tolona io fa lavitr'ezaka ny tolona mitandro ny filaminana fa dia nosisihana notontosaina isan'andro ihany, tsiniako ao anatin'izany ihany koa ny filoha Ravalomanana iray amin'ny nandrisika izany tolona isan'andro izany ka nahatonga ny tsikera hoe tena tsy mahalala ny zava-misy aty an-toerana marina fa an-tsesintany.


Tsingerina tsy nankalazaina

Eo ankilan'izay, na dia feno herintaona nitondrana aza ry zalahy dia tsy afa-nankalaza azy tamim-pilaminana sy firavoravoana kosa. Ny hany nitatatata dia ny radiom-pirenena sy ny teleizionam-panjakana, nefa propagandy famerimberenana mandrakariva ny hoe nametra-pialana fa tsy naongana no hany niverimberina tanaty fifanazavana. Tsy nandrenesana akony kosa (na tsy nandrenesako no marina kokoa) ny nataon-dry zareo tany an-takonana any, ho fiarahana tamin'ny mpanohana azy ireo. Ninia nidina an-dalambe ihany koa tsinona ireo mpikatroka tamin'ny tolon'ny ara-dalàna na dia fantany izao aza fa "tsy hahomby" ny zavatra ataony... izany hoe ho ravan'ny mpitandro ny filaminana ny hetsika. Ny zavatra iray tena niavaka nandritra ny herinandro nisian'izay fidinana an-dalambe tsy nisy mpitarika izay dia ny tsy nisian'ny tora-bato na herisetra mihitsy avy amin'ny mpandala ny ara-dalàna. 


Mila fanazavana kely ity: nisy ny filazana fa nisy polisy nodarohan'ny mpanao fihetsiketsehana, gazety iray no nanitrikitrika satria nahita imaso mivantana, gazety Taratra io, fa nanao lozam-pifamoivoizana tamin'ny scooter nentiny io polisy naratra mafy nolazaina fa nodarohan'ny mpanao fihetsiketsehana io. Na dia nilaza aza ny gazety hafa hoe novonoina io, ary nanaovan'ny fitondrana fampielezan-kevitra izany, dia tsy nivena tamin'izay nolazainy kosa ny tao amin'ny gazety Taratra. Toa tsy mba nisy nanamarika io toe-javatra iray io. Faharoa, raha nisy fisamborana olona tamin'ny andro voalohany noho ny fananganana barazy nataon'izy ireo. Rehefa natao ny famotorana dia "mpitsikilon'i Alain Ramaroson" no navaliny ireo mpanao famotorana, araka ny tatitra nataon'ny gazety ihany. Taorian'izay dia tsy nolazaina intsony ny tohin'ny fanadihadiana... Navotsotra daholo angamba ry zalahy? Io no tsy itsaharako mandrakariva ilazako fa misy olona misovoka mandrakariva any anatin'ny mpitolona any. Ny fisamborana hafa tamin'ny andro hafa nalaza moa dia momba an'i Solohery Hilaire mivady sady miaraka amin'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana no mpikatroka ao amin'ny MFM ihany koa (kasikety roa).


Dia tonga ny 29 marsa 2010

Noheverina ho rava tanteraka ny tolon'ny mpandala ny ara-dalàna rehefa nosesefana baomba manempotra isan'andro isaky ny mivorivory an-dalambe. Noheverina fa hangina tsy hiloa-bava, sady tsy hanelingelina intsony ny asan'ny mpanongam-panjakana, ireo nampanginina sy nampitahorina isan'andro. Kanjo mbola nijoro hatrany ireo reny nifamotoana teny Ambohijatovo. Efa fantatra ihany ny fanao amin'ny fotoana tahaka itony nefa dia amin'izay indrindra no anehoana ho hitan'ny rehetra ny nokobonin'ny sasany nandritra ny fotoana nampanginana azy tamin'ny famoretana izany. Nampisongadina azy rahateo ny fitafiana fotsy sy ny voninkazo nanamarika mandrakariva ny hetsika an-dalambe fanaony. Tsy azo nampanginina kosa ry zareo teto sady ho sarotra ny hampangina azy teto Ambohijatovo.


Rehefa nihirahira teo ireo vehivavy mpandala ny ara-dalàna dia avy kosa ry mpiambina maimai-poana ny kianjan'ny 13 mey sy Analakely ary Antaninarenina ho takalon'ny fahazoan'izy ireo matory eny amin'ny toerana azon'izy ireo atoriana nanatona sy nifanasa vava tamin'ireo vehivavy efa naka ny toerany teo andrefana somary atsimon'ny kianjan'Ambohijatovo. Mandeha ny fifampikasokasohana sy ny filana ady. Ny tanjona tao anatin'izany paika izany moa dia ny hikisahan'ny vehivavy mpandala ny ara-dalàna ka ry zareo mpiambina ny kianja 13 mey, tsy dia misolo akanjo loatra, ihany no hanotrona izay misy eo amin'ny kianjan'Ambohijatovo, na ny marina kokoa eo amin'ny tsangambato. Tsy zakan'ny tovolahy mpandala ny ara-dalàna ny karazana fanositosehana ny reniny sy ny anabaviny ka dia nidaroka amin'izay ry zalahy. Fo ranomafana io! Misy ny fahadisoana saingy fiarovan-tena ihany koa io no sady fakana vahana amin'ny toerana ijoroana. Tafampita nanakaiky kokoa ny fiandrasana fiara fitateram-bahoaka ny mpandala ny ara-dalàna. Nikisaka nankeny atsinanan'ny mpivaro-boky Ambohijatovo kosa ireo mafana fo tamin'ny mpanohana ny TGV.


Fantatra tsara fa tsy ho afaka hanao na inona na inona eo Ambohijatovo mihitsy ny mpitandro ny filaminana raha mbola misy lanonana tsy natomboka teo. Sady tsy ho afaka ny hisambotra izy no tsy ho afaka handefa baomba manempotra raha tsy tiana hivadika zavatra hafa ny raharaha. Noho izany, ny misoroka izay mety ho fihoaram-pefy ihany no sisa atao. Raha toy izany hatrany no ataon'ny mpitandro ny filaminana rehefa misy ny hetsika an-dalambe dia mahazo voninahitra izy, saingy eto moa lanonana no atrehina ka izay vao fantany ny tokony hatao, fa rehefa tsy hisy ny lanonana fa misy ny fidinana an-dalambe dia  ravana amin'ny baomba avy hatrany... na tsy nisy mihitsy aza ny filazana ny firenena ho latsaka an-katerena, hanaovana fanapahan-kevitra tahaka izany.


Samy nanana ny toerany araka ny firehan-keviny noho izany ny olona teo Ambohijatovo tamin'ity andro ity. Ny mpanohana ny TGV saiky ny ilany somary atsinanan'ny tsangambato no misy zy ireo. Ny ilany andrefana kosa an'ny mpandala ny ara-dalàna. Misy fifanakaikezana ratsy dia ratsy ihany eo amin'ny roa tonta na izany aza! 


Tsy maintsy nisy ny fandaminana niova

Noho ny horakoraka nataon'ny mpandala ny ara-dalàna, sy ny fifandrangitana nifanaovany tamin'ny kolonely Baomba dia sahirana tokoa ny mpandamina sy ny mpitandro ny filaminana. Teto ny Kolonely baomba izany no tsy afa-nisambotra ny mpanakorontana, rehefa tafiditra ao anaty fanakorontanana ny fitabatabam-panoherana tsy manaiky ireo lazaina ho ofisialy ho mpitondra; fa voasazy ireo aminy. Raha tokony hatrety amin'ny ilany andrefana no nidiran'ny PHAT tamin'ny karipetra mena dia voatery natodika tany avaratra somary atsinanana misy ireo mafana fo amin'ny TGV kosa izany. Heverin'ny mpandala ny ara-dalàna ho fandresena ho azy sahady izany ka nampisy horaka teo amin-dry zareo. Nahatafiditra baolina izy ireo izany.


Manaraka izany, lasa natao karazana fefy faharoa manampy ny mpitandro ny filaminana ireo fiaran'ny manampahefana isan-karazany ka nanaratsy endrika ny lanonana sy ny toerana. Natao tsara ambina ireo manampahefana, ary nihataka lavitra ny ilany andrefana izy ireo fandrao tratran'ny tora-bato. Io tora-bato io tsy voatery ho avy amin'ny olona eritreretinao fa saintsaino ihany fitantarana nataoko ery ambony rehefa tratra ireo nanakan-dalana teny Anosy ny andron'ny 16 marsa 2010. Tsy voatery ho natahotra avokoa ireo manam-pahefana fa misy koa ny nandranitra, tahaka an'Atoa Organes minisitry ny filaminana anatiny izay vantany vao niala ny fiarany dia nisosososo teny amin'ny mpandala ny ara-dalàna no nanao ny marika V. Fireharehana ihany koa ny azy eto.


Vetivety monja dia vita ny fotoana rehetra, folo minitra raha ela indrindra. Noho ny hafanam-po dia saiky voahoraka hatramin'ny hiram-pirenena, saingy tonga saina ihany angaha ny mpandala ny ara-dalàna ka somary nangina teo. Ny ankoatra izay kosa dia tsy nijanona intsony ny horaka sy ny kiakiaka nampikorontana tanteraka ny lanonana.


Fahafaham-baraka ve?

Tsy maintsy izay no ambetin-teny raha nahita ny toe-javatra. Ireo mpomba ny TGV raha nahita ny hafanampon'ny ara-dalàna dia nifampilaza hoe izay no nanakaramana azy ireo. Ny mpandala ny ara-dalàna kosa raha nahita ny fahasahisahian'ny TGV (tokoa ve raha ireo mpangataka manaraka anao eran'ny tsena avokoa izy ireo?) nihantsy ady tamin'ny vehivavy legalista dia nihevitra ireo mpangataka ireo ho nokaramaina ihany koa. Misy tamin'ireo nahita ny fahasahian'ny legalista no nilaza fa vao vita ny lanonana dia ho avy amin'izay ny fandraofana ireo sahisahy maty ireo. Misy ny tena lotika mihitsy ny fo. Zava-misy sy hitako teny an-toerana ireo. Noho izany, maromaro ihany koa ireo niala raha vao vita fanoloram-bonikazon'ny ofisialy sao izay vao tena raikitra amin'izay ny gidragidra. Mazava loatra fa nofaranana tamin'ny baomba manempotra indray ity lanonana ity fa tsy teny Ambohijatovo fa efa teny anoloan'ny lapan'ny tanàna. Mbola voninahitra ho an'ny mpandala ny ara-dalàna ihany izany nandarohana baomba azy ireo izany satria ry zareo ihany no nikendrena.


Soa ihany fa nisy iny fiara nitondra fanamafisam-peo iny nanala ny olona teo Ambohijatovo mba nisorohana izay mety mbola ho fifandonana tsy nampoizina. Tsy vao izao tsy akory ny nisiana lanonana voaelingelina tahaka izao fa efa nisy koa ny fotoam-panokafana ny antenimieram-pirenena nandritra ny taompolo 1990 no niharan'izany horakoraka izany. Tanjona ny handrenesan'ny any ivelan'Antananarivo rehetra any, manerana an'i Madagasikara, fa mbola mahatafita hafatra hatrany ny mpandala ny ara-dalàna na dia efa nogiazana aza ny feony. Rehefa namory mpanao gazety ry zareo hanamelohana ny zava-misy dia tratra teo amin'ny maharary azy ihany izany ireto tsy mety laitran'ny fanasaziana avy any ivelany ireto.


Ilay resaka voninkazo nopotehina, ahoana ny amin'io?

Satria manko samy mihevitra ny andaniny fa tena tsy tia tanindrazana mihitsy ny ankilany, dia tahaka izany ihany koa ny sain'ny ankilany mihevitra ny andaniny. Izay rehetra ataon'ny iray dia toherin'ny iray hafa, tonga hatramin'ny fanazimbazimbana aza. Dia ireo voninkazo ireo no amantarana fa tena efa mihalalina tanteraka ny hantsana eo amin'ny andaniny sy ny ankilany. Noho ny tsy fanekena hiara-mitantana ny firenena mandra-pisian'ny fifidianana hahalalana izay voafidim-bahoaka tokoa dia tsy maintsy ny fifandrafesana no manjaka. Raha tsy nomena toerana na aiza na aiza mihitsy ny fanehoan-kevitra dia tsy maintsy imasom-bahoaka sy hitan'izao tontolo izao no ivoahan'ny tsy fetezan-javatra misy eto madagasikara. Tena fihoaram-pefy tokoa ny nataon'ny sasany tamin'ny famotehana voninkazo fahatsiarovana izay mora malazo sy mora simba ihany koa saingy endriky ny fahapotehan'ny fihavanana eo amin'ny samy Malagasy iny. Endriky ny fahapotehan'ny soatoavina Malagasy mora potika sy malazo ihany koa rehefa tsy nokolokoloina.


Tsy vahaolana velively ny fifampiangana sy fifanilihana andraikitra tamin'iny toe-java-nitranga teny Ambohijatovo iny fa samy tompon'andraikitra avokoa ny Malagasy rehetra na ny mpiandany safobemantsina rehetra, na ireo milaza ny tenany na amin'iza na iza indrindra fa ireo izay mihalangalana milaza ho tsy miditra amin'ny raharaha politika.



Jentilisa, 31 marsa 2010 amin'ny 02:37
 
 
 
 

Hifidy isika fa amin'ny fomba hafa

2010-03-16 @ 20:26 in Ankapobeny

Resaka an-tserasera no hanombohantsika ny raharaha sady anton'ny lohateny. Misy bolongana miresaka zavamisy eto Madagasikara tafiditra famaranana amin'ny fifaninanana bolongana tsara indrindra manerantany. Fifaninanana bolongana amin'ny teny frantsay indray ity sady amin'ny sehatra manerantany mihitsy. Raha nahazo loka izy tamin'ny BOMBS (Best Of Malagasy Blogs) koa rariny araka ny hevitro raha tohanana izy amin'ity amin'ny the BOBs ity, fifaninanana karakarain'ny Deutsche Welle ity, sady efa tsy mpitsara ny tena eto dia afa-manohana tsara. Efa tsikaritro matetika fa rehefa miara-mivondrona ny Malagasy amin'ny fifaninanana mila ny safidin'ny mpamaky na ny mpijery izay dia mahazo ny amboara hatrany na voalohany hatrany, koa eto indray ve isika no handraraka ilo mby an-doha? Aza miraharaha izay isan-jato hitanao fa ny safidinao ihany no tadiavina, ny erikerika mahatondra-drano koa alao hery ry zareo.


Ahoana no atao hifidianantsika rehetra? Mankanesa ato: jereo ny tafita famaranana amin'ny bolongana miteny frantsay. Rehefa izany dia tsindrio ny Reflexiums eo ankavanana, izay vao manindry ny VOTER pour ce blog isika. Dia aparitaho amin'ny namana rehetra fantatrao mba ho re laza manerantany indray i Madagasikara sy ny tolony. Na dia te-hiresaka zavatra hafa aza aho dia hatreo aloha no ataoko dia mba aparitaho ihany koa ny rohy sy ny fampianarana ny olona rehetra hifidy. Mahaiza mifidy e! raha toa moa te-hahalala izay soratan'i Achille52 isika na @sameganegie dia vakio eto ary raha hifandrisika amin'ity lalao ity isika dia ato indray.



Jentilisa, 16 mars 2010 amin'ny 22:22 alina


Miitatra eny amin ny fokontany ny fihoaram-pahefana

2010-03-14 @ 22:56 in Andavanandro

Tsy ny tsy mety izay ataon'ireo efa fandrentsika miteronterona eny amin'ny toerana avo no tiako tantaraina vetivety fa ireo eny amin'ny fototra kosa indray, izany hoe eny amin'ny fokontany sady eto an-drenivohitra mihitsy. Manjaka dia manjaka moa ny halatra tariby Jirama sy izay an'ny telma ka vaventiventy ankoatra izay mety ho halatra sy vakitrano isan-karazany any. Nisy aza moa fotoana fa nandrenesana poa-basy hatrany taty 67ha isan'alina ka nahatonga ny baiko hipetraka fa tsy maintsy mikatona ny Bar manomboka amin'ny sivy ora alina. Eo amin'ny halatra tariby moa efa nisy ny may teny ampangalarana tariby teny Soavina Atsimondrano teny. Dia avy ny sasany ka nanararaotra amin'ny lafiny fitiavana te-hahazo vola maika isam-bolana angaha.


Izaho dia miaina amin'ny fokontany iray amin'ny cité des 67ha. Ao anatin'ny fokontany iray dia misy quartiers maromaro na secteurs moa no filaza azy fahiny. Raha misy ny chef fokontany dia misy ihany koa ny chef quartier izay efa nofidiana taona maromaro lasa izay. Raha nisolo ny filohan'ny fokontany, tsy nosoloina kosa ny filohan'ny quartier. Taloha tany, rehefa be tamin'ny toerana fanariam-pako no nesorina fa navangongo tamina fanariam-pako somary lehibebe kokoa ny fako, dia nisy ny fifanarahana fa misy olona hanangona ny fako isan-tokantrano. Roanjato ariary ny fifanarahana voalohany fa efa dimanjato ariary izy amin'izao fotoana izao. Mitondra ny fako amin'ny boroety moa ireo olona azo atao hoe karamain'ny fokontany ireo. Dia misy ihany koa ny vola alaina hanadiovana ny tatatra isaky ny voalohan'ny taona, tsy dia lafo loatra ihany koa iny satria isan-taona ka tsy nampaninona ahy loatra fa ity tantaraiko manaraka ity no tsy aritro.


Indray mandeha, hono, tamin'ny faramparan'ny volana febroary 2010 iny... tena ataoko hono satria tsy nahare ny fisiany mihitsy aho... nisy fiantsoana fivoriana tampoka teto amin'ny quartier (singa ao anatin'ny fokontany fa tsy ny fokontany iray manontolo no lazaiko eto), tsy nisy na iray aza nanontaniako nahatadidy io fotoam-pivoriana io, eny fa na dia ireo nikarakara ilay fivoriana aza. Izao no natao: "Fivoriana izao dieny izao, ao amin'ny Tanimalalaka". Toerana efa fantatry ny rehetra izany fa ity no mahavariana. Tsy misy andraso andraso ilay fivoriana fa eo noho eo... tsy mifanaraka amin'ny hamehana anefa ny zavatra notapahina fa tetika hangalana na hitangosana vola ny tsirairay.


Resaka fandriampahalemana no anton'ny fivoriana. Nampanantsoin'ny tany ambonimboniny tany (atitany io) hoe ny filohan'ny quartier fa malaza dia malaza hoe izao halatra tariby Jirama eto 67ha izao ka nahazo fampitandremana ny fokontany, tokony hametraka na hanaitra ny olona hiambina isan'alina hoe. Izany hoe amin'ny atoandro miasa, amin'ny alina miambina, tsy misy ny fotoana atoriana ho an'ny lehilahy! Mazava loatra fa tsy misy ny hahavita izany ankoatra ny olona tanora na tsy misy atao loatra. Nilaza avy hatrany ny mpiteny fa efa misy tanora 26 vonona hanao izany fiambenana izany fa mba karakaraina kosa ry zareo; karazandrazany hoe karamaina izany. Natao avy hatrany ny tsanga-tanana raha manaiky ny handoa vola 3000ar isaky ny logement ny olona, ary dia zalahy vonona no nananga-tanana voalohany, miampy ny anabavy na sipan-dry zalahy, sy zaza tsy ampy taona maromaro teo, hoy ny afa-nanatrika. Raha nisy ny olona niteny fa tsy mety izany manapa-kevitra tampotampoka izany noho ny havitsian'ny olona tonga nefa idirana resa-bola dia kianina avy hatrany hoe ianao irery no tsy manaiky... izany hoe didin'ny tsy ampy taona sahady no iheverana azy nefa raharaha politika "visa A" no atao (polis=tanàna). Toy ny mpanoha-riana sy heverina ho fahavalom-bahoaka izany ireo izay mitady hiteny na hitsikera. Dia tapaka avy hatrany fa handoa 3000ar isam-bolana koa manomboka izao ny isaky ny logement.


Fa ity no mahatsikaiky : Efa fivoriana tampotampoka tsy nisy fampandrenesana mialoha izy ity, tsy nisy peta-drindrina tsy nisy megaphone ka kiririoka sy hoe mivory izao dieny izao no natao. Faharoa, tao anaty ora fiasan'ny mpiasa satria andavanandro no nanaovana ilay fivoriana, nokendrena mihitsy mba ho vitsy ny nanatrika fa ry zareo ihany no vavolombelona fa niarahan'ny besinimaro ny fanapahan-kevitra handoavana vola 3000ar isam-bolana. Fahatelo, ny fijerijerena ny taribin'ny Jirama ihany no asan-dry zalahy fa tsy misahana resaka halatra hafa izy... noho izany, tsy andraikitr'izy ireo raha misy ny vakitrano. Manaraka izany, tsy hisambotra ny mpangalatra izy ireo raha mahita fa ny mitsoka kiririoka ihany no ataony dia ny fokonolona no mandray adidy mifoha hisambotra ilay na ireo mpangalatra. Faramparany , angamba hatao mpiasa raikitra mihitsy izy ireo satria hoe handoavana fiantohana ihany koa ry zalahy. Ny tena nahasorena ny tena moa dia ry zalahy mieboebo amin'ny akanjo laoranjy avokoa, miseho ho tompontanàna irery, rehefa nitaky ny fandoa isam-bolana voalohany. Fanomezana asa ny TGV eto amin'ny tanàna izany izy ity nefa ny fokonolona iray manontolo no terena handoa ny karamany. Ahiako tsy hisy velively anefa ny tatitra ara-bola amin'izy ity.


Ny teto amin'ny quartier misy anay aza moa azoazo ihany izany tantaraiko izany ao anatin'izao tsy fanarahan-dalàna manjaka izao fa misy ny fokontany toy ny eny Andavamamba, misy olona mitaky vola 5000ar tampoka any an-tranonao satria tsy tonga nivory ianao. Ary natetitetika ilay fitakiana, ilay olona niresaka anefa tsy mahalala ny fisian'ilay fivoriana mihitsy na dia tsy niala teo amin'ny fokontany mihitsy aza noho ny hasembanana mahazo azy. Ny eto amin'ny misy ahy no fantatro koa asa re hanao ahoana ny any an-kafa any?



Jentilisa, alatsinainy 15 mars 2010 amin'ny 00:55 maraina



Voaompa nefa tsy mihemotra ny Mpitondra Fivavahana

2010-03-10 @ 21:01 in Finoana

Nivaly sahady mialoha ny famalian'ny Kaominina andrenivohitra Antananarivo ny valinteny avy amin'ny Prefektioran'ny polisin' Antananarivo. Araka ny nolazain'ny iray amin'ny mpitarika ao amin'ny hetsiky ny mpitondra fivavahana dia tokony ho ny ao amin'ny fitantanana an'Antananarivo aloha no mamaly na tsia amin'ny hanekena ny fangatahan'ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana ny kianjan'Ambohijatovo, nefa moa dia tsy vitan'ny hoe nisongona namaly ny hafa ny Prefe fa anao teny an'avona sy maneso ary nihantsy mihitsy aza.


Rehefa nanaraka ny votoatiny novakian'ny mpitandrina iray aho dia misy toy izao: "...ekena tokoa fa ilaina ny fibebahan'ny firenena ary mila vavaka ny firenena, saingy efa misy ny toerana natokana ho amin'izany dia any amin'ny isam-piangonana tsirairay avy, koa tsy ilaina ny fanaovana vavaka ankalamanjana; fa raha mangataka ny hanao akalamanjana ihany ary dia aleo akatona ny fiangonana fa eny ankalamanjana indray no atao ny fiangonana..."  Dia tahatahaka izay no votoatin'ny valinteny nataon'ny Prefe araka ny fihaino azy tamin'ny radio fahazavana.


Mazava ny valintenin'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana manoloana izany valinteny izany. Ampirisihana ny rehetra hiakanjo fotsy na hitondra famantarana fotsy ny tontolo andron'ny Alakamisy hiadiana amin'ny tsy fahamarinana fa hitady ny fahamarinana kosa. Hisy ny fotoam-pivavahana maraina manomboka amin'ny fito ora ao amin'ny FJKM Ambatomena izay eo ampitan'ny Consulat General de France io Alakamisy 11 marsa maraina io. Hotontosaina amin'ny Asabotsy 13 marsa fa tsy mbola misy fiovany ny fotoam-pivavahana eny Ambohijatovo... na dia efa mazava aza ny fanakanana avy amin'ny Prefektioran' Antananarivo. Efa ela, hoy ry zareo, ny nandeferana fa ny amin'ny Asabotsy 13 marsa kosa dia hotontosaina. Mazava manko ny fanakanana fa tsy ilaina mihitsy ilay fotoana ka tsy mila tanterahina. Samy hitana ny teniny ve ny roa tonta sa hisy ny hihemotra?


Marihiko fa mandeha dia mandeha mihitsy ny fifanentanana eo amin'ny samy olona hitondra izay mari-pamantarana fotsy izay na dia any amin'ny toerana heverina tsy ankasitrahan'ny mpivavaka loatra aza. Henoko tsara io ka tsy fantatro loatra na mifananihany ry zareo na tena matotra ny resaka satria olondehibe avokoa ireo miresaka ireo.



Jentilisa, 10 marsa 2010, amin'ny 23:10

Samy vehivavy sy mandeha ny sivana

2010-03-09 @ 00:06 in Andavanandro

Andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy tokoa ny andron'ny alatsinainy 8 marsa 2010. Tsaroana tokoa fa tsy nisy loatra ny fotoana nahafahana nankalaza azy ity tamin'ny herintaona noho ny toe-draharaha tao anatin'ny hafanana politika indrindra. Efa niseho tamin'ny fikomiany manko ny miaramilan'ny Capsat tamin'izany fotoana izany. Fa toe-javatra hafa kosa no niseho tamin'ity taona ity fa dia nomarihina manokana tokoa ilay andron'ny 8 marsa.

Samy nankalaza ny andron'ny vehivavy amin'izay heveriny ho mety ny vehivavy, samy nanomana mangina ihany koa noho izany ny mpandray anjara rehetra na avy aiza na avy aiza, na ny ankolafy avy aiza na avy aiza. Eto no ahatsapan'ny mpanoratra fa toa tafavoaka tao anatin'ny hafanan'ny tolona izy fa difotry ny asa fanaony isan'andro. Tsy nahamarika, na tsy naheno loatra ny mpanoratra fa mety ho variana fa hay nanomana fambolen-kazo indray ny vehivavy mpandala ny ara-dalàna tamin'io andro io. Ny hitany kosa dia ny fiomanana teo amin'ny kianjan'ny Malacam hatry ny andron'ny zoma.


Kianjan'ny Malacam

Teo amin'ny kianjan'ny Malacam no nanomanan'ny eo amin'ny fitondrana ny Andron'ny vehivavy. Ny zoma maraina dia efa nitsidika ny toerana ireo nampiandraiketina hikarakara ny toerana. Tamin'io andro io dia efa notaterina tsikelikely ny fitaovana sy ny fanaka rehetra ho amin'izany. Nanomboka teo ihany koa dia noravahana fefy gony fotsy mangatsakatsaka ny sisin'ny kianja rehetra sy ny manoloana ny fidirana (tsy mbola ilay vavahady fa fidirana amin'ilay tsena izay nofoanana aloha nanomboka io andro io) hizotra mankany amin'io kianja io. Nasiana jiro be mampahajambena maso mihitsy moa io malaza ho "couloir de la mort" io hany ka mazava dia mazava aoka izany ny lalan-tongotra eo raha mitsapatsapa lalana no mahazatra ny mpandalo eo.


Teo amin'ny fikarakarana dia nandalo teo avokoa na mpiasan'ny kaominina, na mpiandraikitra ny prezidansa FAT, na ny mpamonjy voina (trano may) hanadio ny toerana ary indrindra indrindra ny miaramila izay nisahana sahady ny fiambenana ilay toerana. Tsy nahazo nivarotra intsony ireo mpivarotra teo amin'ity tsenakely ity, nanomboka ny alahady indrindra indrindra. Tsy nisy intsony koa noho izany ny lalao baolina lavalava izay fahita amin'ity toerana ity rehefa faran'ny herinandro. Mazava ho azy raha mety ho liana hijery ny fety hitranga ao ny manodidina mahita ilay fihetsiketsehana rehetra teo am-piomanana.


Rehefa tonga ny andro lehibe dia vory ihany ny olona fa tsy tena betsaka, petsa dia petsa ny sisin'ny kianja, izany hoe izay tsy nisy bozaka ary namotaka aoka izany. Vao nisy orana indrindra manko ny folakandron'ny alahady ka tsy maina intsony izany rehefa tonga ny alatsinainy. Vory lanona avokoa ny solontenan'ny vehivavy avy any amin'ny faritra rehetra, samy nanomana ho amin'ny fanamiana hanaovana filaharana ao anatin'ny kianja ihany. Filaharana izany no tena nanamarika ny tontolo andro marainan'ny Malacam, ka teo ny avy any amin'ny isam-paritra, nisy ihany koa anefa ny solontenan'ny antoko politika nilahatra ary tsy diso anjara ny vady miaramila.


Mba mihira ihany ny mpanakanto fa toa tsy dia noraharahian'ny mpampita mivantana izany. Angamba ny tena tanjona dia ny hanasohasoana ireo vehivavy mpitondra sy ny vadin'ny mpitondra amin'izao fotoana izao. Tsy ny teny amin'ny sehatra loatra manko no narahina fa tany amin'izay nandehanan-dramatoa vadin'ny filohan'ny FAT. Nisy aza moa notapahina na naato ny hiran'ny mpanakanto fa ny tenina vehivavy manazava ny fahandroan-tsakafo amin'ny alalan'ny vilany-sahafabe maka ny tara-masoandro no natao. Ramatoa kosa tsy dia niteny na nampiresaka, na nihaino izay mety holazain'ny mpitana ny tranoheva fa dia miaraba sy miserana fotsiny, fomba fifanajana e!


Notapahina ny lalana

Ny tsy nampoizina tamin'ity teny amin'ny kianjan'ny Malacam ity dia ny fanapahana ny lalana manomboka eo amin'ny fivilian-dalana mankany amin'ny rond-point Antanimena manoloana an'i sekoly Sully teo aloha (toa tsy sekoly intsony izy io manko) ka ny fiara rehetra avy any Behoririka dia avily mankany amin'iny manoloana ny NIAG izany hoe ny manoloana iny Ultima media iny; mihodina amin'ny rond-point vao mivily mankany amin'ny lalana anoloan'ny falda na impimerie catholique, na mandeha mandalo amin'ilay manoloana ny CEG Antanimena sy ny sekoly Saint François Xavier iny.


Taoriana tokony ho atsasak'adiny taorian'ny nanapahana ny avy any Behoririka io dia notapahina koa ny lalana avy aty Antanimena ho any Soarano na Behoririka. Tsy maintsy nivily mizotra mankany amin'ny edisiona takariva taloha iny na ny manaraka azy ny fiara rehetra fa tsy mahazo manitsy amin'ny arabe mahazatra. Dia eo amin'ny fakana solika (Shell io raha tsy diso aho) indray vao mipoitra ny fiara rehetra. Tsy nisy nanampo loatra io fanapahan-dalana io ny ankamaroan'ny mpandeha fiara hany ka nitohana izaitsizy ny lalana. Raha nanomboka tamin'ny valo ora maraina izany fanapahan-dalana izany dia tsy naverina tamin'ny laoniny raha tsy tamin'ny 12 ora sy sasany tany ho any, izany hoe efa lasa antsasak'adiny ireo manampahefana rehetra.


Magro mankany Ambatomanga

Efa notsoriko fa na izaho izay manoratra aza dia tsy nahalala akory ity fiomanana iray hafa ity hany ka talanjoona raha nahita ny fahavorian'ny olona, indrindra fa ny vehivavy, tamin'ny alalan'ny sary hita an-tserasera ihany. Tonga tany am-piasana maraina no nanontanian'ny olona hoe angaha tsy nandeha nankany Ambatomanga vao gaga hoe hay ve nisy izany fambolen-kazo niarahan'ny vehivavy izany. Tsy kely ihany koa ny fiomanana tamin'ity satria fiara sy fiarabe ampolony maro no nitanjozotra namonjy ny toerana nokasaina hanaovana izany. Mazava ho azy fa tsy maintsy nofaina avokoa ireo fiara fitaterana rehetra ireo.


Zavatra iray voamarika dia ny fahavonon'ny olona nandeha, nisy aza moa ny fivarotana teto an-tanàna no nikatona fa nandeha tamin'io fambolen-kazo io ry zareo. Amin'ny andro "tsotra" izany hoe rehefa eo amin'ny magro anefa dia tsy mandeha eny loatra ry zareo. Midika izany fa misy hatrany ny olona no miandry toe-javatra fotsiny dia tsy ampoizina ny ho fihetsehan'ny olona. Na dia noheverina ho fiarahan'ny ankolafy telo aza moa ny fotoana dia nanjakazaka aoka izany ny ankolafy Ravalomanana. Misy anefa ireo vehivavy no tsy mazoto loatra amin'izany fiarahan'ankolafy telo izany ka nijanona tany an-tokatranony ihany. Mahery fo tokoa ny vehivavy!


Samy niomana fatratra tamin'ny fanamarihana ity andro ity izany ny ankamaroan'ny vehivavy teto Antananarivo, tao ny nanao filaharana tanaty kianja ho fanehoana ny mahafety ny andro; tao ihany koa ny nanokana azy ho andro hanasoavana ny tanindrazana sady adidy eo amin'ny firenena rahateo izany.


Sivana tampoka

Araka ny voamariky ny eto an-drenivohitra dia tapaka tampoka ny radio fahazavana nanomboka tamin'ny 11 ora atoandro teo, rehefa handeha iny ny vaovao tapatapany. Ny ao amin'ny serasera mpandray antso no nilaza fa noho ny resaka fahatapahan'ny herinaratra no nahatonga io fahatapahana io ka tsy ho voaverina amin'io andron'ny 8 marsa io ny fandaharana raha ny fijery azy. Rehefa tsy azo teo amin'ny fanapahana ny onjam-peo mivantana izany ny radio dia tany amin'ny herinaratra indray no namelezana azy. Dia nangina tokoany tontolo aloha.


Ny nahatalanjona ny maro ihany koa dia ny tsy nanipazan'ny MaTV hany mampita izay vaovaon'ny Ankolafy telo amin'izao fotoana na dia indraim-bava aza ny fambolen-kazo natao tany Ambatomanga iny. Manahy dia manahy aho fa mety ho toy izany ihany koa no hitranga amin'ny gazety an-tsoratra raha izay zava-misy tamin'ity herinandro ity izay no jerena. Tsy hisy na dia gazety iray aza ve hitatitra ny fambolen-kazo teny Ambatomanga, izany hoe hampiseho ny hamaroana na havitsian'ny olona nandeha? Betsaka ihany manko ireo nolazaina ho mpanao gazety, sady nahazo fiara manokana izy ireo, no nandeha fa ny eo amin'ny fitateram-baovao sisa no hojerena izay hataony. Satria manko mety ho herinandro mangotraka ity herinandro ity dia ezahina ny hampangina izay mety hahazo hery hanozongozona ny fitondrana hmpifanaritaka ny tolona. Tsy dia ho voan'izany loatra anefa ny mpitolona raha jerena izay nitranga ny alatsinainy izay. Miatrika ady mangatsiaka faran'izay mamifirify indray ny eto an-toerana fa asa aloha raha tsapan'ny maro izany na tsia?


Ps: fa maninona i Jentilisa no tsy miarahaba ny vehivavy? Ka ny fomba hitako amin'ny haino amanjery dia ny vehivavy ihany no tena miarahaba ny vehivavy koa! Jereo fa ny vadin'ny filoha no miarahaba ny vehivavy fa tsy ny filoha. Matoa ny lehilahy miarahaba ny vehivavy dia mitady oroka ny ankamaroany izay, fa mety hisy ihany ny "exception" an!

Jentilisa, 09 marsa 2010, amin'ny 02:11

Hatsikana mandritra ny tontolo andro

2010-03-04 @ 22:01 in Ankapobeny

Na dia saiky tsy hiresaka momba ilay atrikasa antsoina hoe teny ifampierana izay hala-tahaka avy amin'ny loabary andasy izay tontosaina ny andron'ny alakamisy 4 sy ny zoma 5 marsa eny amin'ny Tranom-pivoriana iraisam-pirenena Ivato aza ny tena dia tsy tana fa mba hanoratra kely ihany. Zava-nahatsikaiky manko no tsipalotra ka aleo resahina kely!


Ho fanombohana ary dia tsaroana izay sariitatra vahiny tamina gazety vahiny izay, misy mpivady lehibe mijery fahitalavitra maneho endrika tsy faly. Nandeha ny fandaharana ho an'ny ankizy fa tsy miova ny endrik'izy ireo. Nandeha ny fampihomehezana fa vinitra hatrany izy mivady. Fa nandeha amin'izay ny vaovao politika fa nitsikanikany sy tapa-tsinay mihitsy izy mivady. Nihevitra ihany aho tamin'izaho namaky ilay sariitatra nojinery fahakely fa mba adala ihany ireto mpivady mikivanivany amin'ny resaka tokony ho matotra ireto. Nifindran'ny aretin'izy mivady anefa ny tena rehefa nanaraka ilay fandaharana mivantana tamin'ny fahitalavi-pirenena ny alin'ny alakamisy 4 marsa 2010. Fa nisy inona angaha nitranga?


Ny tolakandro aloha tany ampiasana, misy fahitalavitra azo jerena tsara mihitsy ny anay fa matetika no tsy mahafantoka loatra amin'izay mandeha eo noho ny asa atrehina, dia hita ihany fa hay mandeha mivantana amin'ny fahitalavitra ilay atrikasa. Tsy atao tompontrano mihono tokoa ny olona ka aleo hahita. Tsy nisy nety te-hijery azy avokoa ny tao am-piasana aloha, fantatra fa misy mifanohi-kevitra ny mpiara-miasa ka sao mahatohina angaha na hampisy disadisa. Ny alina tonga tato an-trano aho vao nanaraka, izahay manko e! na tsy mankasitraka tsotra izao io hetsika io aza da nanaraka mihitsy hijery izay fizotrany. Hay tena matiantoka ny tena tsy nanaraka azy hatramin'ny voalohany!


Aleo hofintimpintinina avy hatrany ireo tranga mampivadika aty izay hany mba hitan'ny tena (efa hirava ny lanonana amin'io). Voalohany na dia nolazaina aza fa "teny ifampierana" ny anaran'ilay atrikasa dia mbola niadiana hevitra indray ny anarany amin'ny teny frantsay. Tao ireo nanitrikitrika fa mahasolo ny "Conférence Nationale" avy hatrany io ataon-dry zareo io satria fahavorian'olona tsy misy tahaka io intsony, fahavoriana fikambanana sy antoko politika no tena tiany lazaina eo. Misy kosa ny mitsipaka izany tanteraka, dia lany kely teo ny andro. Lasa avy hatrany ny eritreritra hoe izany ve no niadiana hevitra tao nandritra ny tontolo andro?


Ifandrombahana moa ny fitenenana satria mba te-hiteny ifampierana avokoa angaha! Mananga-tanàna izay te-hiteny fa misy mandritra ny ora iray mananga-tanana foana vao mahazo ny fanamafisam-peo, fa misy ihany koa ny nananga-tanana hatrany fa tsy nahazo anjara fitenenana hatramin'ny farany... na tsy reraka aza ranamana nananga-tanana dia tsy nahazo rariny e! Asa hanao ahoana angaha ny hakiviany any am-podiana any? hita amin'ny fahitalavitra izany tantaraiko izany fa tsy hoe nanatrika tany ny tena an! Misy mifamely fantsy ankolaka mihitsy moa ireo mifandimby miteny fa dia anjarany moa izay. Nodradradradraina tamin'ny kabary fanokafana ihany anefa fa tsy misy hoe kely sy ngeza intsony ny antoko politika fa manan-jò (vato iray avy) rehefa hotontosaina ny fifidianana na fandrotsaham-bato.


Misy ihany koa ny hevitra "minisitra" iray izay namoaka karazana soso-kevitra ahiana ho lany hoe raha fidiana ny "Assemblée consituante" dia tsy asiana fitsapa-kevi-bahoaka na referendum intsony satria efa karazany mahasolo tena ny safidim-bahoaka ireo izay tafiditra ao amin'ny "Assemblée Constituante"... iny indray no hafa saingy mampanahy be ihany. Tsy haiko intsony aho na tokony hihomehy na tokony ho tezitra fa tsy nahita tahaka izany indray aho ho'aho. Hapetraka tsy misy fitsapa-kevi-bahoaka intsony ve ny lalam-panorenana? Faramparany moa efa be no lasa satria tsy manana fiara manokana hodiana, tsy ilazako hoe noho ny fahatezerana, dia nikabary nanao fanontaniana maro ny mpitarika iray ka valiana eny na tsia, ary tanatin'ny fanontaniana ny hoe : "ilaina indray ve ny manova ny governemanta?" dia tsia no nataon'ny sisa mpanatrika, mety ho avy amin'iny fanontaniana kabary novaliana am-bava iny izao no ahiako hamoahana ny fehinkevitry ny safidim-bahoaka.


Satria moa ny tena tsy nivonona ny hitadidy na handray an-tsoratra ny zava-nitranga dia noadinoina ny ankamaroan'ny zava-nisy faramparany mba tratra; na izany aza tena noana vetivety mihitsy aho noho ny fotoana naha-tapa-tsinay ahy fotoana lavalava ihany. Koa asa moa ny andron'ny Zoma na hanakory indray ny tohiny na hanakory fa tsara ihany ny mijery mivantana ny raharaha eny Ivato io tsy maka lagy fa vonona ny hihomehy, afa-tsy hoe tsy hampitaina mivantana intsony angaha ny fotoana na hoe maro no tsy hanaiky ho mpilalao mampihomehy ao anatin'ilay atrikasa. Dia aleo hihomehezana ilay politika e! fa na izany na tsy izany mba misy ihany koa ny hevitra matotra hoe raha hanangana "Assemblée Constituante" dia tsy ilaina intsony ny Fikaonandoham- pirenena izay tokony hihevitra momba ny Lalampanorenana ihany koa satria manjary mifanitsak'asa ny roa tonta.



jentilisa, 05 marsa 2010 amin'ny 00:07 maraina Antananarivo

Bibiolona

2010-03-03 @ 06:41 in Ankapobeny

Trangam-piaraha-monina eto Madagasikara amin'izao fotoana izao indray no ambara etoana. Malaza indray izao resaka bibiolona izao amin'ny faritra sasany. Roa ny toerana ankalazana azy ity fatratra dia eny Ankatso sy eny Andoharanofotsy. Fifanandrifian-javatra mampihomehy ihany rehefa dinihana.


Tamin'ny andron'ny Fanjanahantany dia nalaza dia nalaza izao mpaka ra na mpaka fo izao. Tsy niezaka ny nandiso izany sahoan-dresaka izany ny Mpanjanaka na dia mety ho henony aza io. Tsotra ny antony, mety ho ry zareo mihitsy no nihavian'ny sahoan-dresaka mba hampilamina sy hampipetraka tsara ny olona feheziny. Ny hamory ny olona tsy maintsy hipetraka an-tanàna lehibebe aza natao mba tsy hisy ny olona hitoka-monina... izany hoe tsy hisy ny olona sarotra arahi-maso... koa ny famehezana ara-psikolojika tahaka itony indray no avelavela fahatany? Inona moa ny vokany amin'ny olona? Tahotra! rehefa manjaka ny tahotra dia tsy hisy hivoaboaka any amin'ny maizina any... vita ho azy ny "tsy fahazoana mivoaka sy mivezivezy amin'ny alina". Koa tsy atao ho mahagaga raha niara-nanjavona tamin'ny fanjanahantany ny resaka mpaka ra sy maka fo avy eo. Ny lafitsaran'ilay zavatra dia nilamina tokoa amin'ny ankapbeny ny tanàna satria manana tahotra mbamin'izay mety ho mpangalatra tsinona.


Tsy naheno momba tsahotsahon-javatra tahaka izany loatra intsony aho taty aoriana afa-tsy nyhoe misy sarety mandehandeha izao amin'ny alina nefa tsy hita ilay sarety sy ny karazany. Fa nisy fotoana nanana ny lazany ny boky tantara an-tsary ka anisan'izany ny "Koditra". Ny tena nalaza indrindra tamin'ny boky "koditra" dia ny tantaran'ilay bibiolona nantsoina hoe "Bobel". Rehefa nanakaiky ny fandrodanana voalohany ny Amiraly, ka anisan'ny nanao andrimasom-pokonolona ny tena (sady tanora mavitrika ihany koa moa) dia nalaza fatratra ny resaka valamaty, ka tao indrindra ny filazana fa misy bibiolona ao amin'ny Lapan'Iavoloha ao. Ny hafatra ambadika dia hoe izay mahasahisahy manafika aty dia i Bobel no hitsena anareo sady mihinan-dra (vampire!) sy mihinan'olona mihitsy izy. Vokany : Angaha nisy nahasahy nanafika izany Iavoloha izany ankoatra ilay diaben'ny fahafahana natao ny 10 aogositra 1991 satria vahoaka be kosa ve! Rehefa niala tao Ratsiraka dia tsy hita niaraka taminy ihany koa i Bobel na nandositra mialoha fa tsy tiana nentina tany Andafy!

Nandritra ny fanonganana an-d Ravalomanana indray dia fantatra fa tsy misy bibiolona tao Iavoloha ary tsy misy bibiolona ihany koa ao Ambohitsorohitra dia sahy notafihina avy hatrany. Koa satria moa tsy nampiasa ny tetika fampiasan'ny mpitondra teo aloha mamoron-dainga hampatahotra ny lapa na ny toerana iray ny filoha Ravalomanana tamin'ny fotoana nitondrany dia nodradradradraina indray fa mivavaka amin'ny osy io rangahy io. Nojerena amin'izay fa feno sary sokitra ondrilahy sy osy vita tamin'ny biriky tanimanga tany antokotanin-dapa ary dia noadinoina tao an-dapa koa ny osikely volamena na ankoso-bolamena izay mety ho lafolafo ihany ny vidiny... efa ela tsy nipetrahana intsony anefa io lapa io tamin'izany fotoana izany. Saingy izao no tena izy: Tsy sahy notafihin ny lapa tamin'ny andron-d Ratsiraka satria nanana fitaovam-piadiana mankoana sy bala manokana ny vondro-tafika mpiaro ny filoha ary nisy aza ny nahasahy niteny fa raha nifanandrina ny samy miaramila dia ny miaramila hafa no lany bala mialoha ny miaramilan'ny mpiandry lapa. Sahy notafihina kosa ny lapa tamin'ny andron-d Ravalomanana satria tsy nanana vondro-tafika manokana ny mpiambinia ny filoha ary tsy ary fiadiana mihoatra noho ny hafa ny mpiambina ny filoha. Any amin'ny hafa kokoa noho izany ny hery.


Mandia ny taona 2010 indray isika dia indro fa nitsangana tamin'ny maty i Bobel. Toa mandehandeha ao Ankatso sy any Andoharanofotsy any ho any izy ity na izy ireo. Misotro ran'alika sy ran-saka ary ram-biby hafa izy ity ka tsy fantatra na ankafiziny na tsia ny ran'olombelona fa aleo mailo ihany. Vokany, tsy misy loatra ny mahasahy mandehandeha amin'ny alina any amin'ireo faritra ireo. Mifampiambina ihany koa ny mpianatra nefa tsy hahasahy hivoaka ny faritr amisy azy fandrao voampanga ho bibiolona eo. Dia tsy misy noho izany ny fivoriana mety hisy amin'ny alina hanomanana grevy any Ankatso. Dia mety hilamina ny tanàna ka handry fehizay ny mpitondra. Eny Andoharanofotsy indray moa misy miaramila somary madiditra eny, mpiambina ny mpikambana FAT iray malaza amin'izao fotoana izao, raha ny lazany amin'ny gazety no itarafana azy ka hisorohana izay mety ho fitsikilovana izay mitranga any dia nasiana porofo ny fahaveloman'i Bobel indray. Dia amin'izay fotoana izay ihany koa dia tsy hisy ny hahasahy hanafitafika eny.


Dia lasa ny saina mieritreritra izany rehetra izany: mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolo ve dia mety hojonoin'i Bobel tahaka izany? Ka ny tena fatratra koa dia gazety ihany no teny minia manaparitaka azy ity, dia ny gazety noheverina ho mpitaiza sy hanazava amin'ny olona fa tsy natao hampitahotra ny mpinomino foana. Sady ny mahahenjana azy ity dia tsy mety ho hita maso mihitsy i Bobel fa ny "asany" ihany no manaporofo ny fisiany. Na izany na tsy izany ny Bobel efa hitako aloha dia manana tanana ho fitaovam-pamonoana tsy azo ivalozana antsoina amin'ny teny Rosiana hoe Kalachnikov ho an'izay nianatra teny Rosiana. Ary ny vavany tsy mitsahatra ny miteny lainga mandrakariva na dia mivovò mandrakariva amin'ny teny Alemana hoe :"Wow! Wow! wow!" aza ka raha gasiana dia mody asiana -ka na -tra na -na, rehefa nampitahaina ny fanatsaram-peo dia ny -ka no mety amin'ny indrindra ka saiky notononina hoe wowka. Tsy mety amin'ny teny malagasy moa ny w koa ny teny mety amin'ny indrindra dia hoe "Vahoaka".


Angano! angano! à rire à rire! tsy izaho no mpandainga fa ny gazety malagasy ihany no tena mankalaza hoe velona i Bobel ka mitandrema sao mifanena aminy.



Jentilisa, 03 marsa 2010 amin'ny 00:45
 

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Martsa 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox