Mety ho gaga ny maro raha manoratra Asaramanitra amin'ity antenantenan'andro ny tena. Misy antony kely anefa raha nanoratra aho na dia teo dia teo aza ny hakamoana tsy te-hanoratra. Maro sahady ny toe-draharaha sy zava-nitranga teto amin'ny firenena saingy tsy voasoratro ireny, toy ny fahalasanana artista fanta-daza. Tsy midika velively izany fa tsinontsinona ireny na zava-bitika eto amin'ny firenena. Ny antsipirian-javatra tsy sahin'ny gazety natao lohateny lehibe aza no tena maresaka eto amin'ny tanàna rehefa mifampiresaka ny olona nanodidina ahy, dia ilay horakoraka nitranga tao amin'ny Lapan'ny kolontsaina. Saingy ialàna tsiny indrindra raha tsy manitatra loatra momba iny raharaha iny aho fa anjaran'ny tsirairay no mamakafaka. Tsy manakana anao tsy hiady hevitra koa anefa izany.
Hiverina any amin'ny ambaran'ny lohateny amin'izay aho. Raha teo amin'ny kolontsaina Malagasy (Merina angamba no marina kokoa) dia ny andro fahasivy amin'ny volana fahasivy tamin'ity taona ity no Asaramanitra Merina izay arahin'Anosimanjaka amin'izao fotoana izao raha ny reko, nefa, tamin'ny namakiako ny boky fahiny momba an'Andrianampoinimerina dia ny Fandroana ihany koa izay notapahiny hankalazain'ny rehetra teo ambany fahefany. Ny tsaroako indrindra manko dia nifanindry amin'ny Eidy Miozolomana mandrakariva io Fandroana na Asaramanitra nankalazaina teto Afovoantany io. Nisy ny nametraka na nampiely andro hafa ho Alahamadibe, ary nomena vahana tamin'ny haino aman-jery tamin'ny fotoan'androny (martsa-Avrily), saingy tsy nandresy lahatra ahy loatra ara-pahalalana izany (sady tsy nandresy lahatra ahy ara-pinoana na ara-kolontsaina rahateo). Taombaovao Malagasy tokoa ny Fandroana na ny Asaramanitra, ary nataon'ny taloha nifanindran-dalana tamin'ny taombaovao gregoriana... na dia tsy tena nahazo vahana teto loatra aza io fanisan'andro gregoriana io nialoha ny fanjanahantany.
Dia marihiko indray mandeha ihany koa fa nanana ny lanjany tamin'ny Malagasy, indrindra teto afovoantany, io Asaramanitra io fony Faha-Mpanjaka. Tsy anavahana io na kristiana ianao na mpandala ny nentin-drazana fa tamin'io fotoana io no niezaka namonjy ny tany niaviany avokoa ny any am-pielezana rehetra sy izay nila ravinahitra toerana lavitra any fa fihaonan'ny fianakaviana manontolo io... izany hoe samy namonjy ny ambanivohitrany avokoa ny Malagasy tsirairay tamin'izany fotoana izany mba hifety. Mazava loatra fa rehefa vory lanona ny fianakaviana dia misy ny omby vonoina ary makotrokotroka avokoa ny fety any an-tokantrano tsirairay avy any. Hevitro manokana dia niainga avy amin'ity fandroana ity no nahatonga na nampiroborobo ny famadihana amin'izao fotoana izao. Mazava loatra fa raha miteny hoe hevitra aho dia tsy voatery ho izay no marina, nefa avoakako ihany ilay hevitra hifampidinihan'ny rehetra.
Tamin'ny voalohany dia manaraka ny volana ny fanavahana ny andro sy ny volana ka tsy atao mahagaga raha niovaova ny toerana misy ilay taombaovao. Tsy hatao hamaky loha antsika ny fanazavana lava fa hevero ho toy ny fifindrafindran'ny fetin'ny Paska eo amin'ny Kristiana no mba ifindrafindran'ny taombaovao ihany koa tamin'izany fotoana izany. Ny somary iavahany dia eo amin'ny fotoanan'ny Paska izay eo anelanelan'ny tapaky ny volana martsa ka hatramin'ny tapaky ny volana Aprily mandrakariva mandavataona, ny taombaovao na ny Eidy kosa tsy voafetra tahaka izany fa dia jerena fotsiny hoe aiza no tsinana ny volana manaraka ny antokon-kintana Alahamady dia izay. Nosimbain-dRanavalona fahatelo izany tamin'ny fotoana nanjakany ka navadiny ho fotoana raikitra (manaraka ny fanisana gregoriana) ny fanatontosana ny Taombaovao malagasy (merina) dia ny 22 novambra izany. Narahin'ny ambanilanitra mandrakariva ireny fanapahan'ny Andriamanjaka ireny, na dia mety ho nanova zavatra be dia be teo amin'ny fisainan'ny vahoaka aza.
Mariho mazava tsara fa nandritra ny fankalazana ny taombaovao (fetin'ny fandroana) farany nialoha ny fanjanahantany indrindra (22 novambra 1895) no tena niroborobo ny fikomiana nataon'ny Menalamba voalohany hanoherana ny vazaha ka namonoany izay vazaha rehetra hitany sy ireo namofompofona vazaha rehetra. Tsotra ny antony nahamora ny famelona izany fikomiana izany, eo avokoa no tafavory ny fianakaviana ary amin'ny taombaovao ihany koa no be ny olona manao voady. Noho ny fahatsapana anefa fa voahitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena (Hasin'Andriamanjaka eto) dia be ireo mahatsapa tena ho manana adidy amin'ny fanosehana ny mpanjanatany, toy ny hoe tsy afa-mifaly kosa aho raha ziogaina ny fireneko. Ny fotoana tahaka ireny ihany koa no mora ifanondroan'izay mitolona rehetra hanombohan-draharaha, sady fotoama-panombohan-draharaha indrindra ny fotoana tahaka ireny. Nisy koa moa no nilaza (Stephen Ellis) fa nandritra ny taombaovao malagasy manara-bolana ihany koa no namelomana ny fikomiana 29 martsa 1947 fa aleo ho anjaran'ny mpahay no manamarina na mandiso izany.
Fa inona kosa no nahalefy ity fetin'ny fandroana ity? Fantatry ny Frantsay fa ity taombaovao ity no karazana fety lehibe indrindra ho an'ny Malagasy (Anivontany indrindra indrindra) ka notapahiny fa hotontosaina isaky ny 14 Jolay isantaona ny fankalazana izany Fandroana izany. Ataoko fa tsy mila hazavaina amintsika ny hafetsena nananan'ny mpanjanatany tamin'izany lalàna napetraka izany. Raha somary tsinjovina ihany koa ny antonta-kevitra nisy dia nanaiky ihany ny maro saingy nisy hatrany ny nanao fandroana araka ny andro tondroin'ny mpahay azy an-tsokosoko, niova endrika ny antsoina hoe famadihana ka tsy ireo havana nilevina an-toeran-kafa no nafindra hiaraka amin'ny razambeny any amin'ny fasandrazany fa ireo razana ampasandrazana hatrany no nofonosina dia naverina tamin'ny toerana nametrahana azy. Dia izay ilay heveriko hoe nataon'ny mpandala nentin-drazana hiofo ho famadihana ilay fandroana tamin'ny andro fahiny saingy tsy dia an-kiteniteny loatra moa izany. Fantatry ny Frantsay ihany ny fisian'ny famadihana ka nametrak lalàna indray ry zareo fa amin'ny ririnina (efa fantatry ny mpanao azy hoe volana inona ka hatramin'ny volana inona moa izany) ihany no azo hanaovana ity famadihana ity. Dia jereo fa ny famadihana no lasa fotoana ifamorian'ny mpianakavy hatrany lavitra any, ary mampasiaka ny sasany mihitsy ny tsy fanaovana adidy amin'io fotoana io na dia andaniam-bola tokoa aza ny fanatontosana azy.
Fa somary zendana ihany ny tena, satria eo indrindra isika izao, raha nisy ny antso nataon'i Avoko hanaovana horakoraka ny mitataovovonan'ny zoma 10 Aogositra, satria mifanindry amin'ny taombaovao io fotoana niantsoany ny rehetra io, ary nolazainy ihany koa moa fa fotoana ivavahan'ny rehetra. Mampahatsiahy vinaninany ilay nanombohan'ny Menalamba. Saingy na eo izany na tsia dia Miarahaba ny rehetra ary nahatratra ity Taombaovao Malagasy ity, ary miarahaba ny Miozolomana amin'ny fankalazany ny Eidy... Sa tsy azoko atao izany?
Jentilisa, Zoma 10 Aogositra Septambra 2010 amin'ny 01: 35
Lohateny nalaina avy tamin'ny tononkiran'ny mpihira malagasy iray namerimberina fa: "izay manao ny marina na lavo aza mbola ho tafarina fa izay manaonao foana, na mihinana aza mbola ho noana". Resaka hanina indray aloha ka! Tena hafa mihitsy ho'aho isika Malagasy fa tsy mba mikorapadrapa-poana izany. Maka milamina hatrany satria iaraha-mizaka ny fisondrotry ny vidin'entana ary lazain'ny gazety fa tratran'izany amin'izao fotoana izao ny vidin'ny lafarinina sy ny vary.
Re manko fa raikitra
ny rotaka tao ampita andrefana tao raha nokasaina ny hanondrotana ny vidin'ny mofo, ankoatra ny fisondrotry ny vidin-jiro sy rano io ny androtry ny fanapahana hampanakery ny fanondrotana. Tsy voalohany moa io rotaka io fa fanindroany izay raha araka ny voalazan'ireo olo-tsotra mpitati-baovao avy any an-toerana. Ny nahavariana dia ny fomba nitateran'ny Haino Aman-Jery malaza sy fanaraky ny Malagasy maro azy, notaterin'ny
namana iray atsy ambadika atsy. Efa misy samihafa sahady manko ny voalazan'ireo loharanom-baovao roa ireo. Ny voalohany manambara fa tsy nihetsika ny vidin'ny mofo efa roa taona izao fa ny fifampiantsoana tamin'ny alalan'ny finday sy ny serasera no tena nahafaingana ny hetsika sy ny rotaka. Ny faharoa kosa nanambara fa tsy mitsahatra ny misondrotra ny vidim-piainana ka tsy tantin'ny olona intsony no nahatonga ny rotaka. Izay ilay samy manana ny fijeriny fa anjaran'ny tsirairay no mamakafaka sy mandanjalanja. Ny tahaka izao ihany koa no tsy mahasasatra anay hitatitra mandrakariva izay tsikaritray. Ny somary nahavariana tamin'ilay notantarain'ny namana dia ny fitakiana hamerenana ny mpitondra teo aloha mpanelanelana ny raharaham-pirenentsika hamaha io olana any aminy io.
Hafa tanteraka kosa ny eto an-toerana, satria tsy tafiditra amin'ny fanapahan-kevitry ny governemanta loatra ny fanondrotana vidin'entana afa-tsy izay sahanin'ny fanjakana ihany angaha (toy ilay vidin-tsolika nahafahan'ny mpandraharahan'ny solika nividy ny vola vahiny amin'ny 2000ar ny dôlara iray raha tokony ho efa 2200ar izany nialoha ny fifanarahana tamin'ny fitondrana?). Noho izany angamba no tsy mahataitra ny Malagasy loatra hikorontana fa hiasa mafimafy kokoa angaha hahazoana vola bebe kokoa, nefa asa toy ny inona? Saingy hendry na ny mpanao mofo na ny olona satria lasa tsy ampy anjaran'olona iray izany mofo dipaina iray manontolo izany satria tsy nisondrotra ny vidiny, ary ny olona tsotra kosa mitady zavatra hafa asolo azy dia ny paty indrindra indrindra... hehehe... fa vita amin'ny inona moa ny mofo dipaina ary vita amin'ny inona kosa ny paty fihinana? Soa ihany aloha fa ny vidin'ny vary sy ny lafarinina ihany no miakatra fa tsy ireo e!...hehehe... ahitsio aho raha diso fa tena diso mihitsy.
Fa tsikaritro tokoa aloha fa nitombo ny mpivarotra hani-masaka mandehandeha ka ny miavaka indrindra amin'izany dia ireo mpivarotra paty efa masaka, ampiarahany amin'ny karazan-kanina samihafa izy ireny ka misy ny mampiaraka azy amin'ny atodiakoho, na karaoty sy ovy, na izay mety atao ho karazana laoka samihafa e! fa mora aloha ny vidiny sady samy manana ny azy rahateo, tsy miresaka ny fahatakaran'ny sarambamben'ny olona izany vidiny izany loatra aho satria azoko heverina fa ny vidin-tsakafo masaka no isan'ny mora indrindra manerana ny tsena fa tsy azo atao kosa ny mieritreritra ny fahadiovany. Amin'ny ankapobeny moa dia tahaka ny anaty koveta anaty sobika na anaty fitehirizan-kani-masaka anaty harona no fanaovan'ny mpivarotra ireny hanina ireny. Na izany aza lasa saina ihany aho indraindray ka manao hoe tena mahasolo ny vary tokoa ve ny paty feno manerana ny tanàna? Dinihina toa karazany aty Madagasikara indray no nanaraka ny torohevitry ny solontenam-panjakana ao ampita andrefana fa tsy vomanga sy saonjo mbamin'ny mangahazo no nampifanoloana fa zavatra vita amin'ny lafarinina ihany no asolo zavatra vita amin'ny lafarinina.
Jentilisa, Antananarivo 3 septambra 2010 amin'ny 00:26
Efa somary lavalava ihany ny lahatsoratra nosaratako saika havoaka no najanona satria nisy tranga be ifandraisana aminy nefa tsy mety atsofoka eny an-tsefatsefany eny intsony. Lahatsoratra vaovao noho izany no natao satria miova ny fomba hamoahana ny hevitra na lohahevitra mitovy ihany aza no lazaina.
Dia nisy, hono satria olona no niteny tamiko, haino amanjery iray sa vitsivitsy, nahenoana fa misy amin'izao fotoana izao bandin'i Manjakaray, 67ha (Ankasina), Andavamamba ary faritra hafa karamaina hanendaka sy hangalatra ary handroba, mba entina hanaporofoana fa tsy milamina ny tany... na tsy lazaina aza dia fantatra ny tian-ko lazaina ho manakarama satria isan'andro isan'andro ny fanasoketana ny anarany amin'ny haino aman-jery ary ny gazety mpivoaka eto Madagasikara, ary izaho naheno ilay vaovao indray manana anarana radio ao an-tsaina avy hatrany raha vaovao tahaka izany no mivoaka, saingy tsy afa-mitompo teny aho satria tsy naheno ilay vaovao mivantana... nefa kosa ambara fa tsy olona iray na roa no nilaza io "vaovao" io tamiko. Nihomehy anaty ihany aho satria karazam-baovao fampihorohoroana toy izany hatrany no nitaizana ny vahoaka efa nihoatra ny taonjato iray sahady izay. Ny talohan'izany moa tsy fantatra loatra fa ilàna mpandalina tantara manokana angaha.
Nalaza nandritra ny fotoana nahatongavan'ny vazaha maro teto Imerina, nialoha kely sy teo ampiandohan'ny vanim-potoanan'ny Fanjanahantany ny resaka mpaka fo. Heverina ho ny vazaha no tena maro amin'ireo mpaka fo ireo ary nisy koa ny fikambanana framasao no voasoketa amin'io tsaho io. Nisy fiantraikany tamin'ireo sarambaben'ny olona any ambanivohitra rehetra any tokoa ny lazan'io mpaka fo io ka raha mahita vazaha ny ankizy sy ny badobado dia mandositra avy hatrany. Ilay fomba fiteny ankolaka fa manao izay hanintonana ny fon'ny olona no nivadika ho zavatra mivantana ho mpaka fo hohanin'ny vazaha ohatra. Dia tsy nisy intsony ny olona sahy nivoaboaka tamin'ny alina satria ankoatra ny mety hifanenana amin'ny mpamosavy dia misy koa ny mpakafo izay mety hangalarany ny fon'ny olona mifanena aminy. Vokany, nandry fehizay ny tany rehefa amin'ny alina satria tsy re loatra ny fisiana halatra. Ny toy io angamba no iray amin'ny antony nampalaza ny taloha ho tsy nahenoana loatra izany hoe hala-botry izany... Mifanindran-dalana amin'izany tsaho toa tsy nampiraika ny vazaha mihitsy ny hanitsy azy izany dia napetraka ny lalàna fa tsy misy olona mahazo mipetra-drery any ankodahoda any fa tsy maintsy any an-tanàna avokoa no manorin-trano, fomba tsotra entina hanaraha-maso sy hifehezana ny olona moa io lalàna io. Marihina fa na amin'izao fotoana izao aza dia mbola malaza io resaka mpaka fo io any amin'ny sarambaben'ny olona sasany any miampy ny lazan'ny mpangalatra taova malaza manerantany ihany koa moa izy io na dia tsy henon'ny saranga antonony sy sarangan'ny mpanankarena an-tanandehibe loatra intsony aza.
Nandritra ny faramparan'ny fanjanahantany sy ny repoblika voalohany indray, tsy dia mahafantatra izay mety ho zava-nalaza ho nampatahotra ny olona loatra aho, na izaho no tsy manam-baovao loatra momba izay tsaho natahoran'ny olona. Ambarako mazava tsara aloha izay. Fa tsikaritro kosa, nisy gazety amin'ny teny malagasy sasantsasany, ary tsy miankina amin'antoko na amin'ny fiangonana, tia mamoaka ireo misitery isan-karazany ka tia manasongadina resaka matoatoa sy angatra mivezivezy manerana ny tanànan'Antananarivo amin'ny alina ary nambara ihany koa na tsy tadidiko loatra intsony tamin'ny namaky azy ireny ny ora fivoahan-dry zareo. Mamaky izany kosa aloha ny ankizy tena koditra mihitsy, raha ny fiantraikany amin'ny olon-dehibe indray tsy dia nandrenesana akony loatra ary anisan'ny manahirana ny mamantatra azy amin'ity Malagasy tsy tia namoaka loatra ny heviny ity. Fa mbola nanana ny lazany ihany fa tsy nisy nangalatra tamin'izany fotoana izany, raha ny an-tanan-dehibe no resahina, izany lamba nahahy teny an-davarangana izany. Izany hoe raha nitodika indray aho dia karazam-baovao entina hampipirina ny olona any an-tranony ihany koa ny karazan-gazety tahaka itony ary manahy aza aho fa ny fanjakana mihitsy no nanakarama azy ireny hampilamina hatrany ny tany sy ny firenena. Na nangina aza ny tanàna dia tsy natahorana loatra izany hoe mpanendaka izany, ary tsy nandrenesana loatra ny momba izany raha an-tanan-dehibe. Tsy fantatro kosa anefa raha efa fiteny tamin'izany fotoana izany na tsia ny hoe mpanakan-dalana.
Niova kosa ny toe-draharaha rehefa niditra ny Repoblika faharoa. Noho ny karazana korontana naharitra nandritra ny tetezamita nitondran-dRamanantsoa Gabriel kosa dia simba tsikelikely nanaraka izany ny soatoavina nampanjakan'ny Malagasy izany hoe fandriampahalemana sy fihavanana. Nalaza ny resaka madinika ary izay tsy manaja ny madinika dia mpanoha-riana sy kapitalista. Nanomboka nanao izay tiany atao amin'izay ny madinika. Nisy ny olona navondrona ho ao amin'izany Tary Tonga Saina izany hampivoarana ireo avy amin'ny sarangam-bahoaka mahantra saingy nisy nanodina ny sain'ireo Tary Tonga Saina ireo ho lasa fitaovam-pamoretana sy fiarovana ny sezan'ny mpitondra ka noadinoina tsikelikely ny manjò ny vahoaka. Ireo no fitaovana nentina nampihorohoroana sy nampanafihana ireo mpanankarena mety ho nanelingelina fitazonana ny fitondrana. Ireo no nalaza tamin'ny fanendahana sy ny fanafihana mitam-basy, ary tsy adinoina ihany koa fa naka tovovavy ankeriny ihany koa izy ireo ary nosafidiany mihitsy ireo vehivavy nalainy an-keriny sy niterahany ireo ho kazaran'ny valin'asany tamin'ny fitondrana tamin'izany fotoana izany. Niova tanteraka ny zava-nitranga satria tsy nanana tahotra intsony ny mpangalatra fa ny olo-tsotra kosa niaina tao anaty tahotra. Mazava loatra fa fady izany mandeha alina izay tsy dia nahazatra ny olona loatra eto an-drenivohitra moa (marihina fa tsy miresaka ny any amorontsiraka mihitsy aho eto). Nisinisy ny toerana malaza ho misy mpanendaka izay fady ny mandeha aminy amin'ny andro alina. Fa tsy nanana henatra ihany koa ireo jiolahy ireo na dia amin'ny andro atoandro aza, mivondrona ary manana paika entina hanakiviana ny olona izay tsy mety miray hina ihany koa moa raha eny an-dalana no misy tratran'ny fanendahana.
Ankehitriny, mbola tsy mahazatra ny olona mihitsy izany mandehandeha na mihaona na manao zavatra amin'ny alina an-drenivohitra izany ankoatra ny zoma mahafinaritra eny Analakely sy ny Cabaret angaha saingy ho an'ny olona manana fiara moa izany no tena marina. Misy ihany ny fiarakaretsaka saingy noho ny antony dia tsy hivoaka na handeha any amin'ny toerana somary sisintsisin'ny tanàna mihitsy izy ireny, marihina anefa fa tsy mifankaiza loatra amin'ny saran-dalana amin'ny atoandro izany saran-dalan'ny fiarakaretsaka amin'ny alina izany. Mirongatra dia mirongatra tokoa ny mpangalatra sy ny mpanafika any an-trano ary fitaovam-piadian'ny mpitandro ny filaminana ihany no ampiasain'ireny jiolahy ireny. Malaza moa fa ampanofaina ireny fitaovam-piadiana ireny, noho izany tsy zavatra kelikely no halain'ny mpangalatra fa tsy maintsy maka tombony amin'ny zavatra ataony izy. Vokany, tsy vitan'ny hoe eny an-dalana ihany no mety anamparan'ny jiolahy ny heriny fa na dia any an-trano aza dia tafihiny, ary na dia toerana misy zandary aza dia tsy mampihemotra an-dry zalahy. Very fanahy mbola velona ny vahoaka izay tsy manana fitaovam-piadiana raitra tahaka ny jiolahy. Vokany, mipirina rehefa misy toe-javatra manahirana ka mionona rehefa tsy ny tena aloha no tafihina. Noho izay toe-javatra tsy voafehy izay intsony angamba no mahatonga ny sasany hanasoketa olona fa manakarama bandy avy any amin'ny faritra mafana eto an-drenivohitra hanendaka sy handroba, fa mila karamaina ve ny mpangalatra (?), entina ilazana fa tsy milamina ny tany ary tsy mahafehy ny filaminana ny tompon'andraikitra. izaho kosa moa mieritreritra fa matoa tafahoatra tahaka izao ny fanafihana mitam-piadiana dia ao amin'ny mpiandraikitra ny famongorana ireny asa ratsy ireny mihitsy no fositra voalohany.
Rehefa namaky ilay lahatsoratra indray aho dia tsy afa-po tamin'izay voasoratra satria tsy izay nokasaiko hosoratana indray no voasoratra nefa efa vita ihany ilay izy dia navoaka ho anareo ihany aloha. Amin'ny manaraka angamba aho mamoaka izay tena tiako ahatongavana.
Antananarivo 2 septambra 2010 amin'ny 00:22 (02/11/2010 @ 00:22)