Nahoana no niala Ambatovy?

2012-08-29 @ 15:55 in Ankapobeny

Fanamarihana eto am-boalohany. Ny zavatra soratako etoana dia hevitro samirery, tsy misy hafa nanolo-tsaina na nanery hanoratra izao ary tsy misy olona na fikambanana na rafitra hanakana ahy koa amin'ny fanoratana azy ity ihany koa.

Eritreritra nandeha noho ny zavatra novakiana sy ny zavatra mitranga amin'izao fotoana izao. Maro ireo lohahevitra tiana horesahina saingy misy sampona hatrany fa ity kosa karazany antsoina hoe maika ihany. Misy fandraisana an-tanana na "initiative" mety ho voasakana manko ka malahelo ihany ny tena raha tsy tontosa tokoa ilay izy.

Tsy dia maharaka loatra aho hoe iza sy iza avy no mpanohana ny TEDxAntananarivo, fa ny hany fantatro dia toerana telo no azo ividianana ny tapakila ho amin'io hetsika io hihainoana hevi-baovao mendrika hohenoina ary mety hitondra ho amin'ny fampandrosoana: Chill'Out Ambondrona, Urban Café Antsahabe ary ny Outcool Ampasamadinika. Hetsika izay kasaina hotontosaina amin'ny Asabotsy 1 septambra 2012 manomboka amin'ny roa ora tolakandro. TED fanafohezana ny hoe Technology, Entertainment, Design izay manana ny tarigetran'ny fanapariahana ny «Ideas worth spreading». Manana ny mpikarakara izany ny eto Antananarivo ka mitondra ny anarana TEDxAntananarivo saingy azo tadiavina amin'ny tenifototra #TEDxTNR ihany koa.

Amin'ny ankapobeny, ny tsy miankina izay tena kitro ifaharan'ny fampandrosoana no mandray an-tanana amin'ny hetsika sahala amin'itony ary ny tsy miankina ihany koa no antenaina ho mpanohana azy itony. Amin'ny hetsika nomanina ho amin'ny Asabotsy izao dia ny orinasan'Ambatovy no mpanohana iray goavana noheverina hisahanana ny fampitaovana sy ny kojakoja hafa. Nitsoaka andaharana tamin'ny fotoana farany anefa ity orinasa iray ity ka nahasanganehana ireo mpikarakara. Tsy azony loatra hoe fa naninona no niala tampoka ity orinasa goavana iray ity? Vokatr'izany: eo am-pitadiavana orinasa na fikambanana na olona hafa ho mpanohana io hetsika io indray ry zareo mpikarakara. Manainga antsika etoana mba hierirteritra ny amin'izany.

Izay soratana manaraka kosa dia tombatombana ihany, tsy voatery ho marina ary tsy voatery ho diso ihany koa. Izay novakiana tany amin'ny gazety tany sy tany amin'ny famoaham-baovao hafa koa no nanaovana tsoa-kevitra sy tiako ampitaina. Tsy mahalala ny antony nihemoran'Ambatovy isika rehetra fa karohina kosa ilay izy. Tsy voatery hilaza ny antony ny Sherrit fa azy izany, saika hanohana izy no mety ho tojo fahasahiranana tampoka dia naleony aloha mandamina ny ao an-tokantranony. Tsy misy manery antsika noho izany hino izay soratako. Averina hatrany izany hialana amin'ny filazana hoe: "Dia tena izany mihitsy HONO". Tsia, tsy afaka ny hitompo teny velively aho fa mba mitady ny antony ihany koa.

Resaka ambany latabatra saingy nivoaka tamin'ny gazety iray, andro vitsivitsy lasa izay, ny filazana fa nisy tompon'andraikitra ambony nitaky tamin'Ambatovy handoa vola 800 tapitrisa dolara, hatreo tsy maninona loatra aloha, fa ny vola dia arotsaka amin'ny kaontin'olo-tsotra valo, izany hoe androtsahana zato tapitrisa dolara avy, fa tsy amin'ny kaontin'ny fanjakana. Sahiran-kevitra hoe ny tompon'andraikitra, ny tale jeneraly, hono, nanaiky ny handoa ny vola mba hahafahana miasa fa nandà avokoa kosa ny tale rehetra hafa teo ambany fitantanany. Tsy nisy noho izany ilay fandoavam-bola tany amin'ireo kaontin'olo-tsotra any amin'ny banky... Hatreo no voalaza. Tena fomba fiasa-na Mafia izany hoy ny eritreritro...

Vao nivoaka tamin'ny gazety indray fa tsy nomena fahazoan-dalana hiasa i Ambatovy. Izay izany no tohin'ny raharaha! Fomba ahoana moa no haneken'ny olona kosa hoe kaontin'olo-tsotra any amin'ny banky no handrotsahana vola? setriny: tsy nahazo ny fahazoan-dalana hiasa Ambatovy. Tratran'ny kenda roroka noho izany ilay orinasa, voatery nitsoaka an-daharana tamin'ny fanohanana hetsika, dia eto isika amin'izao fotoana izao. Marihana fa tombatombana daholo ireo fa izay tena iharany ihany no mahalala, tsy voatery hilaza ny antony nialany anefa Ambatovy fa mba hevitra fotsiny iny ahy. Anjaranao ny mino na tsia...


Jentilisa

29 aogositra 2012

 

Moramanga: Lalana potika fa tsy zatra miresaka politika?

2012-08-19 @ 15:56 in Politika

 

Lapan'ny tanàna takona ambadika raha zatra ny lalam-pirenena 

 

Tahaka ny efa elaela sahady no tsy nahasoratra teto. Raha ny tena marina be dia be ny zavatra tiana ambara, saingy raha vao manam-pahasahiranana kely dia mihitsokitsoka avokoa ny zavatra hafa tian-kosoratana. Feno ny loha ka avy eo tsy voalamina hatramin'izay tokony hosoratana rehetra. Tsy ninia nangina sanatria fa fangejana hafa tsy ahafaha-miteny koa io fahasahiranana io. Soa fa mba misy ihany ny ahafaha-manokana fotoana ampitana izay mitambolimbolina ao an-doha.

 

Hanoratra ny fihaonana farany tany Maputo indray ve? Inona tsara moa ny zavatra tena antenaina tamin'ny fihaonana tany? Misy ieritreretana lalina ny nanekena ny fandahara-potoana hanatontosana ny fifidianana maro amin'ny 2013. Ny mbola ady mafana dia ny hoe iza no ho afaka handray anjara sy tsy handray anjara? Fa ny fanontaniana hafa manitikitika dia ny hoe iza no mandidy amin'izay tokony na tsy mandray anjara amin'izany fifidianana izany. Nisy nahazo fanomezan-dalana amin'ny vahoaka ve ka mahasahy miteny ho amin'ny anaran'ny vahoaka? Sao dia ny fanomezan-dalana avy amin'ny miaramila ihany no anananao. Ny tafika aloha tsy rafitra demokratika velively ka azo ianteherana ho mahasolo tena vahoaka ve?

 Zotra mpitondra ny mpiasan'Ambatovy nijanona vetivety teo akaikin'ny tsangambato 47 mifanila amin'ny garan-dalamby

 

 

Manoloana izany rehetra izany, toa miandry ny rariny toa rafotsibe very laona ny vahoaka malagasy. Tsy mahahetsika intsony sady ny fahasahiranana koa mandifotra loatra angamba ka miavo-tena manao izay hivelomana sisa. Toa samy mamely azy avokoa na ny jiolahy na ny mpitandro ny filaminana any amin'ny faritra maro ka lasa mampieritreritra azy sao ireto lazaina ho mpitandro ny filaminana ireto ihany no jiolahy mamely azy. Efa nisy ihany ny niteny fa raha nisy nanakan-dalana alina izy ireo fony nandeha lalam-pirenena dia hitan-dry zareo anisan'ny zandary tao an-toby ny iray tamin'ireo mpanakan-dalana alina. Avy hatrany dia tsy manantena na inona na inona intsony ireto niharam-boina amin'ny tohin'ny raharaha.

 

Saingy na dia ny miaramila aza no mifehy ny firenena amin'izao fotoana izao, nefa tsy misy ny tsindry lentam-pahefana enti-manohitra ny miaramila sady tsy azo atao izany satria lazaina ho fiokoana avy hatrany. Tsy azo avela ho azy ireo, na ho an'ireo lehibe ao aminy, velively ny ho avin'ity firenena ity sy ny vahoaka eo aminy. Tsy maintsy abaribary amin'izy ireo fa manana anjara asa fampandrosoana avokoa ny tsirairay. Izaho manokana moa dia tsy mahita izay ilana ny miaramila loatra satria tsy misy hery vahiny heverina hanafika an'i Madagasikara ankoatra ilay firenena tena iarahany indrindra nefa mila hihodidina an'i Madagasikara ny fari-dranomasiny hitsentsefany izay tokony ho harena an-dranomasintsika.

 tsena manaraka ny lalampirenena mizotra ho an'ny Anosibe an'Ala

 

Ary raha misy ireo mieritreritra fa tsy manam-potoana iresahana na hieritreretana politika dia ho diso hevitra mandrakariva izy. Aza mihevi-tena fa tsy tafiditra raharaha maloto ianao raha tsy miditra politika sy tsy miteny izay tsy mety fa arakaraka izay itenenanao fa tsy miditra amin'izany ianao no isian'ny fakam-panahy ho an'ny olona tafiditra ao hibolila ka mampajakazaka ny ratsy. Adidy io ho fiarovanao indrindra indrindra ny zonao hiaina amin-kahalalahana sy tsy iangonan'ny rihitry ny olana isan-karazany. Hiezaka aho etoana hanaporofo izany amin'ny ohatra mivaingana sy azon'ny rehetra hadihadiana. Tanàna andalovan'ny lalam-pirenena be mpivezivezy nefa dia ratsy tanteraka ny lalana raha vao mivoaka lalam-pirenena: Moramanga.

 Tabilao hita eo am-pivoahana ny tanànan'i Moramanga mizotra ho any Anosibe an'ala

 

 

Fanombohana na fiafaran'ny fanamboarana ny tatatra 

 

 

Andro vitsy dia vitsy no nandalovana tao Moramanga, saingy mahavalalanina ny fifanipahan'ny zavamisy sy ny tokony ho lazan'ity tanàna ity amin'ny lafiny maro. Toy ny tanàna hafa rehetra ivelan'Antananarivo na renivohi-parintany hafa (mbola ireny aloha no tanàna tena lehibe miampy an'Antsirabe) dia tsy firesaka loatra izany politika izany; amin'ireo toerana ireo aza moa efa somary manahirana izany miresaka politika izany koa maika fa amin'ny tanàna hafa! fahadisoana lehibe amin'ny ankamaroan'ny Malagasy izay tsy mahalala ny tokony ho andraikiny sy ny tombontsoa arovany anefa izany! tsy adi-hevitra fa ny fijerena izay tokony ho soa iombonan'ny daholobe. Moramanga, tanàna ambonivohitra saingy lalana ratsy toy ny ambanivohitra ankodahoda ny lalana mivoaka ny lalam-pirenena. Tsia, misy lalana iray vita rarivato ihany izay miafara mankany an-tsena nefa tsy mahasakana ny filazana hoe ratsy tanteraka ny lalana ao an-tanàna.


Raha ny toerana misy azy anefa tsy tokony ho izany velively satria tsy lavitra azy no misy an'Ambatovy. Manontany tena ianao hoe dia minia mikimpy ve ny ao amin'io tetikasa goavana dia goavana io no ny lalana ao an-tanàna avy no tsy vita? Tsy menatra ve ry zareo eo anatrehan'ny zava-misy manodidina azy ka hahatonga fieritreretana fa dia mitavana sy mitsentsitra fotsiny no ataony, fa ny manodidina azy kosa tsy misy firaharahiana mihitsy. Hafahafa ihany anefa raha ny Kanadiana no manao izany, ny Frantsay no heveriko ho mahavita izany fa any amin'ny fiaraha-miasa ara-tafika ihany no maha-may azy hamehezana ny olona tsy hihetsika na tonga dia voafehy raha mitady hihetsika. Somary nanipy resaka tamin'izay fantatra ka misy fifanoheran-kevitra ihany nefa mampitodika any amin'ny tompon'andraikitra voalohany hatrany: Ny Ben'ny tanàna izay efa tapitra koa ny fe-potoana iasany raha ny fahalalako azy.

 

 Mety ho avo noho ny arabe ny lalana ho an'ny mpandeha an-tongotra

 

Roa ny resaka mandeha. Voalohany, ny henohenon'olona tsotra milaza fa tsy dia mahavoa teny vahiny loatra ny Ben'ny tanàna ao an-toerana ka matahotra ny hifampiresaka amin'ireo lehibebe amin'ny orinasan'Ambatovy. Tsy mahasahy manatona ilay orinasa noho io lesoka io. Misy moa ny miteny hoe tsy misy manakana azy nitondra mpandika teny raha izay no olana eo aminy ary tsy ny tsi-fahaizana teny vahiny no entina ilazana fa tsy mahay koa ianao. Maro ny any amin'ny firenena tatsinanana any no tsy mahay teny vahiny ny mpitondra ao aminy saingy tsy manakana ny firenena na tanàna entiny tsy handroso izany satria mba any amin'ny zavatra hafa ny talentany sy ny anjara andraikiny. Somary tsy dia maharesy lahatra ahy ilay fanazavana saingy izay no fantatry ny olona any an-toerana ka mifampiresaka amiko.Eo ny andraikitra maha-olompirenena: tsy azon'ny mponina ve ny manery ny Ben'ny Tanàna hifampiresaka amin'Ambatovy? 

 

Ny faharoa indray ifanaovan'olona samy manana andraikitra amin'ny sehatra hafa ary efa nifanontany amin'ity faharatsian'ny lalana ity ihany koa. Eto indray dia nisy ny filazana fa efa nisy tokoa ny filazan'ny ao Ambatovy hanolo-tena hanamboatra ny lalana rehetra ao an-tanàna ka ry zareo mivantana no miandraikitra izany. Voalaza anefa fa nitsipaka izany ny Ben'ny tanàna sy ny Lehiben'ny Faritra Alaotra-mangoro ka nilaza fa ry zareo no tompon'andraikitra mahalala ny laharam-pahamehana ao an-tanàna ka omeo azy ireo ny vola hamitana ny laharam-pahamehana (izay tsy voatery ho ny lalana). Vao izany ny valinteny dia tonga dia hoe fa vendrana angaha ny olona tsy hisaina avy hatrany fa ny hanodim-bola no ambadik'izany fomba fiteny izany, raha izany tokoa no marina... nefa ahiako ho izay no tena izy. Tsy mahatezitra ny mponina ao ve ny fandrenesana fomba famaly toy izany sa mitovy hevitra ny olona sy ny mpitondra ao an-toerana?

 

 

Ezaka fampitohizana lalana mifanapaka 

 

Ny zava-misy ao an-toerana aloha ary malaza dia hoe izay vao hanomboka ny asa amin'izay taorian'ny fifandroritana, ny soratra hita amin'ny fafana iray milaza fa efa tokony nifarana tamin'ny volana febroary 2012 ny "fikojakojana" ampahan-dalana iray izay andalam-panamboarana amin'izao fotoana izao. Ny hafa heverina ho tena mahalala kosa milaza fa ny tatatra ihany no nifanarahana hamboarina fa tsy mbola misy resaka lalana mihitsy, ny fanaovana tatatra kosa aloha tsy maintsy mialoha ny fanamboarana ny lalana. Izay no zava-misy: Ilaina sa tsy ilaina ny olona ao hiresaka io olana io? Zon'ny tompon'andraikitra ve ny manakana ny fanaovan-javatra ao amin'ny faritra na tanàna sahaniny? Tsy misy fiaraha-monim-pirenena afaka miteny na mitaky ve ao? Izay, araka ny fijeriko, ny lesoka rehefa milaza ho tsy miditra politika ny olona satria ny fampandrosoana ny tanànany mihitsy no tsy misy. Sa tena diso tanteraka izany fijeriko izany?

 

Arabe teo aloha lasa ambanin'ny tatatra, hakarina indray ny arabe ankavia? 

 

 

Fiaran'ny zandary hamatratra vary avy ao amin'ny fiaran-dalamby vao tonga avy any Ambatondrazaka

 

 

 

 


Jentilisa 19 aogositra 2012

 

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2012 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox