Ny Malaso sy ny mpanararaotra

2012-09-13 @ 17:33 in Ankapobeny

Somary mbola mamirifiry ny maraina sy ny hariva fa mafanafana ny atoandro. Toa mifanahatahaka amin'izany ihany koa ny toe-draharaha eto Madagasikara. Mafanavay ny zavamisy eto an-toerana, mampangovitra toa tsy ahita-mitsinjo ny vodiandro. Valalanina ny rehetra. Izay namboly izao krizy izao sy ny minia manao izay hitohizany ary ny mahalala ny tanjon'izao finiavana handripaka na handroaka ny olona any amin'ny faritra atsimo ihany sisa no mahafantatra ny tanjony sy ny antony hanaovany izao fomba mamohehatra izao.


Tsara ihany koa ny manamarika, raha ny fomba fijeriko, fa misy ny manararaotra ao anatin'izao krizy izao. Miverina indray ny 26 janoary 2009: tetika nentina nandravana ny hari-pananan-dRavalomanana Marc nanerana an'Antananarivo sy nanerana an'i Madagasikara ny ampitso (27 janoary 2009) no nanaovana ilay diabe mody nolazaina fa hanafaka ireo mpianatra telo nosamborina ka hotsaraina teny Anosy, kanjo hay hamotika ny RNM sy ny TVM vao nanana fitaovana raitra dia raitra sy ny MBS mbamin'ny Magro no tena tanjona. Izay no paika voalohany fa niitatra avy eo noho ny fanararaotana.


Raha todihana manko izay lasa nosoratako izay dia nisy ny tetika hamotika an-dRavalomanana Marc tamin'ny alalan'ny famotehana ny fananany. Niitatra tampoka tamin'ny fandravana ny Jumbo score Ankorondrano sy ny espace Zoom teo akaikiny izany. Tsy tao anatin'ny tetika nomanina fa avy amin'ny mpanararaotra. Lasa ihany koa ny fandrobàna ny Citic Center sy ny Supreme Center mbamin'ireo misy center teny ho eny... Avy amin'ny fanararaotana avokoa izany. Izay no niavian'ilay fomba fiteny hoe "mora ny manomboka ady fa tsy azo vinavinaina ny famaranana azy. Isaky ny vita ny fivoriana tao amin'ny kianjan'ny 13 mey dia miala any indray ilay fanararaotana handroba na hampihorohoro olona. Azo lazaina ho nifarana iny rehefa natao izay nanakanana ny fivoriana teo amin'ny 13 mey.


Tsy voatery ho Olobe no niavian'ilay fanararaotana fa avy amin'ireo hafa mihevitra ny tenany ho madinika sy mba te-haka ny "kely" anjarany. Efa hafahafa raha vao nahare fa an-jatony ireo dahalo nanafika fa tsy ampolony intsony. Efa raikitra ny adihevitra fa tsy asan-dahalo tsotra io fa misy ambadika, ary mety ho fiokoam-bahoaka, saingy mbola vinavina ihany izany. Tsy taitra na mody tsy taitra loatra ny fitondrana fa notohizana tamin'ny fanokanana Lapan'ny Fitsarana iray tany amin'iny faritra iny ny raharaha. Hatreto mifamafohafo ny raharaha ary tsy mbola fantatra ny tena tanjona kinendrin'ny "mpanakorontana".


Niteraka fanararaotana ilay fitarihana ny olona handroba tamin'ny 26 janoary 2009, dia niteraka fanararaotana ihany koa ny fanangonana ho dahalo an-jatony. Ny Malaso dia ireo andiana mpangalatr'omby ary tsy mangalatra afa-tsy omby fa tsy mikitika zavatra hafa ary tsy mamono olona ihany koa na dia mety hahatratra ampolony ihany aza ry zareo no miara-dia. Ny mpanararaotra kosa dia ireo mandroba izay rehetra hitany na omby na vola na entana hafa, mety manakan-dalana ihany koa mandroba ny mpandeha amin'ny fiara fitaterana, mety ho mandoro tanàna na dia ny mpitandro ny filaminana aza no tena malaza amin'ny fandoroana tanàna io. Manararaotra amin'ny alalan'ny fanaovana fanamiana ka tsy ahafantarana intsony izay mpitandro ny filaminana amin'ny mpandroba mba tsy ilazana fa ny mpitandro ny filaminana ihany no mandroba.


Dia eto isika izao, misy ny tetika na tanjona farany tian-kodiavina, fa mety ho tafiditra anatin'ny tetika ihany koa ilay fanararaotana. Manararaotra toy ny banga mihomehy alina ny mpangalatra sy ny vao mianatra mangalatra rehetra satria tsy voafehy intsony ny fitandroana ny filaminana. Tsy misy intsony ny rafitra mahasahy mijoro fa samy matim-bola daholo, tsy mahalala afa-tsy vola... nefa ny fomba tsara indrindra hahazoana vola sy hiaina am-pilaminana dia avy amin'ny fanaovana ny marina sy fiarovana ny marina sy ny rariny mandrakariva. Dia eto isika: saika tsy voafehy na niniana tsy nofehezina ny fandrobana saika isan'andro nandritra ny tolona laoranjy nefa dia Antananarivo ihany no tena nanjakan'izany eo amin'ny sehatry ny sarambambe. Ankehitriny kosa lasa ny faritra no ipoiran'izany tsy fifehezana ny fandriampahalemana izany. Ho sahirana kokoa izay miezaka ny hitandro ny filaminana satria midadasika avy folo na zato heny ny faritra mila fehezina nefa ny olona vonona hitandro ny faritra toa mihavitsy sy tsy marisika "hamono tena" amin"izany.


Tombontsoan'iza ny isian'ny korontana eto Madagasikara? iza no (olona ambony) mahazo vahana rehefa gaboraraka ny fandriampahalemana? Ny famahana ny valin'ireo fanontaniana ireo no ahafahana mahafantatra izay tena ao ambadik'ireo mpamboly ny korontana eto Madagasikara. Eritreritra ny ahy no ilazako fa ao amin'ireo mpifehy ambony ny fitandroana filaminana na fiarovana an'i Madagasikara no misy ny atidoha na ny mpiray tsikombakomba amin'ity raharaha mahamenatra mamotika tanteraka ny maha-firenena an'i Madagasikara ity. Lozako! Lozanao ry mpiray tanindrazana fa avelako sy avelanao ho potika ny firenentsika manoloana ireo tsy mataho-tody mandroba ny harena rehetra eto Madagasikara.

Jentilisa 14 septambra 2012
 

Ny Dahalo sy ny Fokonolona

2012-09-08 @ 10:36 in Ankapobeny

Sanganehana ihany miatrika ny zavamisy amin'izao fotoana izao. Tonga amin'ilay hoe tsy azo anoharana isika ankehitriny. Maro zavatra tokony hotantaraina saingy tsy hita izay holazaina. Amin'izao fotoana izao no tokony hanjaka tokana ny haino aman-jery satria tsy hisy olo-tsotra mpampita vaovao any amin'ny toerana tena itrangàn'ny voina. Hafa ny fitantarana izay nitranga fa hafa ihany koa ny fanehoan-kevitra amin'ny zava-misy; fomba fijery no tena fototry ny tantara. Dia ahoana? tsy manan-kambara mihitsy ve?


Anisan'ny nanaitra tamin'ity raharaha atrehina ity ny nahenoana voalohany fa an-jatony ny dahalo manafika, ny anarana Remenabila no tena malaza na aiza na aiza. Nisahotaka ny olona nefa ho aiza moa fa misintaka ny tanàna fotoana vitsivitsy dia miverina any amin'ny misy azy indray. Nalaza fa nisy ny hetsika nataon'ny mpitandro ny filaminana, saingy toa ny tanànan'olona betsaka no nodorana rehefa tsy nahitana mponina tao. Nilaza moa ny manamboninahitra nitarika ny hetsika sy nampandoro tanànan'olona fa mba tsy hiverenan'ny dahalo amin'io toerana io no nandoroana ny tanàna, izany hoe efa nosokajiana ho dahalo avy hatrany izany ny mponina tao. Tsy fantatra ny fihetseha-pon'ny olona na mety noho ny fandrahonana hoe handroba ny... tsy dahalo... na... dahalo karazany hafa sy matanjaka kokoa no ho avy ka naleony nilefa sy nanavotr'aina, fa ahiako hisy fifampiangana  ny andaniny sy ny ankilany tao anatin'iny hetsiky ny tafika izay niala teo an-toerana noho ny "repli strategique" lasa fiteny malaza.


Variana ihany koa ny besinimaro eto an-drenivohitra rehefa mifanafika sy mifamely ny ao amin'ny tafika sy ny dahalo toa vitsivitsy ihany no voa, ain'olona tokoa ireny ary tsy azo lavina fa matetika dia tsy mihoatra ny folo no maty, nefa naninona no ny fokonolona no mifanafika amin'ny dahalo no saiky nahatratra zato no maty? Misy baraingo mipetraka eo ambony lohan'ny tsirairay nefa izay mponina sy efa niaina ihany ary mahalala ny fomba fisainan'ny olona any amin'ny misy ity toe-javatra mampalahelo ity no manana ny antony ka mba ambarako etoana. Tsy avy any atsimo aho ary tsy nipetraka any fa ireo avy any no nohenoina ka nitantara.
Voalohany, manamarika izy ireo fa mbola misy sy miasa izany odigasy izany. Tsy kitoatoa na habobo ny andrenesana fa toa mandalo fotsiny amin'ny dahalo ny bala maro atifitra azy ireo, hoy ny mpitantara. Raha misy ny fifanandrinana aza gaga raha sendra zavona tampoka ianao, natao iny tsy ahitanao iza misy ireo dahalo sy mitoky amin'ny odiny. Odibasy no ananan'izy ireo ka tsy mahagaga raha vitsy no matiny. Fa fahasahiana kosa no tena miasa rehefa atao "iray sy iray" amin'ny fitaovam-piadiana tsy mipoaka ny ady. Avy amin'ny fifanandrinana mivantana tsy misy basy no tena maro ny maty. Nahoana?


Fanaon'ny dahalo rehefa hanafika izy ny mampilaza mialoha, tsy resabe izany fa lasa fananon-dry zareo io ho fanindriana izay tafihina hiomanany raha mahavita miomana ry zareo. Eo no manapa-kevitra ny mponina na handositra na hiatrika ny fahavalo, raha handositra dia efa manaiky resy izay. Raha hiatrika ny fahavalo kosa dia tena ady toy ny tamin'ny ady lehibe faharoa no atrehina: rehefa tsy mahafaty izay mifanandrina amiko aho dia izaho no maty. Tetika iray iatrehan'ny mponina ny dahalo na mpanafika hafa ho avy dia izao: Ny lehilahy matanjaka sy mahery rehetra no voalohan-daharana amin'ny ady amin'ny fahavalo, tsy misy mahazo mihemotra na mandositra fa ny manenjika sy miaro tena ihany no azo atao. Ao aoriana kosa ny zaza amam-behivavy sy ny antitra ary mandrisika ihany koa ireo voalohan-daharana. Raha misy mandositra ireo lehilahy mahery dia ny ao aoriana, izany hoe ny zokiolona sy izay malemilemy indray no mamono azy, izany hoe ireo mpiray tanàna aminy ihany. Nahoana? koa izy mahery aza lasa mandositra mihemotra koa haharo tena ve ireo heverina ho malemy sy tsy afa-miaro tena ao afara? Noho izany samy miaro ny ainy avokoa ny rehetra. Koa raha ho faty ihany tsy aleo ve maty miady amin'ny fahavalo toy izay maty vonoin'ny mpiray tanàna noho ny tahotry ny ho faty? Lasa manana hery fiarovana ny ainy tsy ho faty eo amin'ny mpiaro ny tanàna ka vita hatramin'ny mahafaty olona maro. Amin'ny fahasahiana fampilazana mialoha dia tsy maintsy valiana fahasahiana mafimafy tsy matahotra ny ho faty intsony na inon-kidòna na inon-kihatra, ny fokonolona no manana izany toe-tsaina izany fa tsy ny miaramila sy ny zandary izay manao ny fiarovana ny tanindrazana ho KARAMA fa mba miaro ny ainy tsy ho "fatifaty foana" ihany koa. Resy lahatra aho fa marina io fitantarana nataon-dry zareo io.


Aiza ho aiza ny Fitsarana sy ny fanadihadiana? Ataoko fa tsy miteny intsony izany rehetra izany rehefa ny aina no arovana. Ny mahavariana amin'ity resaka ity dia ny finiavana hanakely hatrany ireo miaramila sy zandary alefa any an-tany fiadiana fa ny fiarovana ny lapan'Ambohitsorohitra indray no nakana mpiambina an-jatony. Tezitra avokoa ny olona ary misy aza moa ny miteny hoe na arivo aza no hiambina azy eo rehefa samy hanavotra ny ainy dia ny ainy ihany no avotany fa tsy hisy hiaro izay mpibaiko izany eo. Misy tetika eo matoa atao vitsy ny any an-tany fiadiana fa samy miandry hoe inona moa izany no tena tadiavin'ireo mpitarika ny fitandroana ny filaminana hanakelezana isa ireo irahina ireo? Sa sanatria avy amin'ireo mpibaiko ireo ny lohan'ny dahalo mandravarava etsy sy eroa ireo?

 


Jentilisa 8 septambra 2012

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Septambra 2012 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox