Ny andron'ny aniverserany 12/12/12 no nahenoana ny tsy irotsahany hofidiana

2012-12-13 @ 00:39 in Politika

Tsy nihevitra ny hanoratra vetivety aho satria vao omaly maraina no nanao izany. Andeha atao hoe nanana ny lanjany ny andro nitokanana ny Coliseum teny Analamahitsy. Misy ny te-hitahiry ny sarin'izany fitokanana izany amin'ny alalan'ny fividianana ny gazety mamoaka sary maromaro avy tany. Tsy omeko tsiny loatra satria safidiny izany. Atao hoe malaza satria toeran-danonana fihirana lehibe indrindra manerana ny Ranomasimbe Indiana (tapany andrefana ihany no fantatsika!). Maro ny tanora no nankafy ny fety aman-danonana teny. 


Toy ny fety rehetra ihany, nisy ny naharitra hatramin'ny farany ary tsy nahagaga loatra raha be ireo tanora niaraka vitsivitsy na maromaro mandeha an-tongotra mody avy eny Analamahitsy, mandalo Alarobia sy Ankorondrano na mandalo Andranobevava, Ambatomainty sy Anjanahary na Masikara amin'ny sivy ora alina. Azo itarafana ny fitiavana fety, na fitiavana ilay mikarakara ny fety, izany ary mba tsy vitsy kosa ireo mody mandeha an-tongotra manavatsava an'Antananarivo faran'ny taona tahaka izao. Ho an'ny mpahalala manko, ny faran'ny taona no tena maharomotra ny mpanendaka sy ny mpangalatra satria amin'iny fotoana iny no manamanana vola ny olona [mpiasa] noho ny tambin-karama azony ary fantatry ry zalahy izany amin'ny ankapobeny ka mba maka ny anjara tambin-karamany ho fanomanana ny fetiny ihany koa.


Be moa no nanombatombana fa tamin'ny fitokanana ny Coliseum iny no ilazan'i Andry Nirina Rajoelina, filohan'ny FAT, izay irotsahany na tsia amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena kasaina hotontosaina amin'ny herintaona io. Saingy diso fanantenana ry zareo satria tsy voavaly tany ny fanontaniana.  Anjara safidin'ny mpikabary ihany moa io, ijereny raha izany no fotoana mety na tsia. Ny fihirana ny hiran'ny tarika Tsiakoraka mitondra ny lohateny hoe Namana moa no tena nataony sy ny fitantarany ireo fotoana nandalovany tao amin'ilay toerana sy ny tsapany ary ny karazana fampieritreretana ankolaka izay tena tia tanindrazana sy nanao zavatra ho an'ny firenena. Azy izay ary teniny, fa dia maromaro moa ireo artista no somary nandoka sy nanao karazana fisaorana tamin'ny alalan'ny hiran'izy ireo namboarina ihany. Henry Ratsimbazafy tamin'ny hira hoe "Misaotra anao aho ry... Andry TGV..." Tsiliva miaraka amin'ny "I love You (Mademozely) Andry Rajoelina" [ny mpijery mihira hoe Andry Rajoelina moa ilay mpihira tahaka ny manadinodino ka mademozely ihany no voatonona] ary ny "misaotra e! misaotra nama misaotra".


Fa mandritra izany fotoana izany na somary aoriandriana kokoa, tsy haiko loatra ny fotoana no namoaka fanambarana tany an-drenivohitra tanzaniana tany Dar-es-Salaam [vavahadin'ny Fiadanana] ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana milaza fa tsy hirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana rehetra hotontosaina amin'ny 2013  ny tenany. Mety ho nanaitra ihany ilay vaovao nefa raha nahita ilay vaovao aho ny maraina dia toa tsy nampaninona ahy ihany, tsy fantatro loatra fa izay no tsapako. Tsy nahatsiaro ho diso fanantenana aho, na dia mahafantatra tsara ny safidy politikako aza ny mpamaky. Izaho manokana tsy mahita loatra izay tsininy satria efa tsy mihetsika loatra intsony ny olona eto an-tanindrazana, karazany efa tsy misy tolona intsony fa efa tonga amin'ny antsoina hoe miara-mitantana rahateo. 


Fivoriana toy ny fivoriana rehetra no iheverana ireo tontosaina eny amin'ny Bel'Air Ampandrana sy eny amin'ny Magro Behoririka. Efa maro misara-kevitra rahateo ny mpitolona satria misy ireo tsy manaiky ny fidirana tao anaty rafitra, ho karazana fanaraha-maso avy ao anatiny ny fitantaranam-panjakana, ary misy ireo mitsipaka izany tanteraka satria heveriny ho firaisana tsikombakomba amin'ny mpanongam-panjakana izany. Samy manana ny faharesen-dahatra ao anatiny fa fivakisana no nivoaka avy tamin'izany ary karazany misy aza ireo mpitolona tsy mahazo miditra ny faritry ny magro mihitsy noho izany fivakisana izany noho ny fiampangana famadihana mazava loatra. Ny maro tamin'ireo mpanatrika anefa no tsy mazoto loatra intsony satria tsy mahalala izay tokony arahina na tsy mankasitraka ilay fivakisana ihany koa. Nilatsaka ary ny fanapaha-kevitra, ahoana ny fihetseha-pon'ny mpanohana azy amin'ny ankapobeny?


Raha ny aty amin'ny serasera, tsy mampaninona loatra ny fanapahan-kevitra ary noderaina aza ny fanapahan-kevitra satria nitana ny teniny tamin'ny fitokisana ny SADC sy efa nilaza ny hanaja ny vokatry ny fihaonana izy. Ahitana ny tena mpanaraka azy ihany koa ny fanapahan-kevitra na be aza ireo mitsikera amin'ny tsy mahamety izany manaraka na mijery olona izany. Ho sahiran-kevitra kosa ny mpanao kajikajy politika amin'ny zavamisy ary ilaiko aza ny isian'ny tahaka izany ahalalany fa sarotra ny mihatsaravelatsihy mandritra ny fotoana maharitra amin'ny filalaovana ity politika ity. Raha tarafina amin'ny avoakan'ny vaovao ihany koa anefa dia mankasitraka ilay fanambarana ihany koa ny maro amin'ny mpanaraka ka nivory fa ny tena tanjona dia ny hodiany eto an-tanindrazana. Samy manao ny kajikajiny amin'izany ny tsirairay ka ao ireo mangataka ny tsy irotsahan'ny iray ihany koa ary hatreto amin'ny fotoana anoratana dia tsy rere tsara ireo mpitaky ny tsy irotsahan'ny roa tonta goavana. 


Ny mpanohana na ny avy ao amin'ny antokon'ny andaniny kosa moa dia vao maika milaza fa efa tsy tokony hirotsaka noho ny sazy mahazo azy ihany ny filoha teo aloha, nefa izany tsy manakana ny tsy irotsahan'ny mipetraka eo amin'ny fiketrahana amin'izao fotoana izao. Ny mahavariana aza moa dia tonga araka ilay fitenenana hoe vonton'ny fankahalana tokoa va re fa mbola manome tsiny ny fanapahan-kevitra hatrany. Misy ireo miteny hoe fa maninona no izao vao miteny, misy ny karazany tsy manaiky tsotra izao ilay tsy irotsahany satria any anatiny any mieritreritra izy fa tandindonin-doza ny safidiny raha mbola arahi-maso ny fitohizan'izao tantara izao.


Ahoana kosa hoy ny hevitro manokana? Fony nanara-baovao momba ny fitokanana ny Coliseum aho dia nieritreritra hoe raha izao izy no milaza hoe tsy hirotsaka dia izay vao tena lehilahy ary nahazo isa betsabetsaka teo anatrehan'ny olona amin'ny ankapobeny na hisy aza ireo tsy hiraharaha izay ataony mihitsy ka tsy hivadika amin'izao hosafidiany. Tsorina fa nandritra izany fotoana izany mbola tsy nieritreritra loatra izay mety ho momba an-dRavalomanana aho raha manao izany izy... Ny natrehina rahateo no nahatonga ilay eritreritra. Mety ho diso fanantenana ny mpanaraka mafana fo nefa hitony ihany avy eo. Ny fanatontosana ireo fitokanana isan-karazany anefa dia mampihevitra hatrany hoe hirotsaka i ANR fa sarotra izany hijanona fotsiny amin'izao izany. Ny eritreritro aza moa efa tonga amin'ny hoe fa inona moa no hanery azy hanao izay fifidianana raha toa ka mihevitra tokoa izy fa nahavita be ho an'ny firenena? Iza no atahorana hanaisotra azy eo amin'ny toerany raha efa notambatambazana tsara ny manam-basy isany. Tsy mbola nilaza izay fanapaha-keviny farany anefa izy, satria mbola misy ny foto-drafitr'asa hotokanana amin'ny herinandro.


Kanjo, raha mbola eo am-pikonokononana sy teo am-pandambolamboana ny fifandraisana amin'ny vahoaka ho fanomanan-tsaina izy no nipoitra tampoka ny fanapaha-kevitra avy amin'ny ankilany. Sarotra ny nieritreritra ilay izy satria vao oviana moa no nanambaràny fa tsy mifanaraka amin'ny demokrasia ny fanililikihana ny hafa tsy hirotsaka izany. Amin'ny andron'ny aniveriserany ihany koa ve no ilazana fanapaha-kevitra tahaka izany? Nefa indro ny lehilahy fa niteny ny tsy hirotsaka amin'ny 2013... fa ny tao an-tsaiko voalohany tamin'ny fanononana ilay taona dia hoe: Fa ahemory anie io fifidianana io ka mivadika ny taona fa dia efa tsy anatin'ny taona 2013 nambara intsony izany. Ny tanjona dia ny hodiana... tsy maninona velively na hirotsaka na tsia i ANR. Mirotsaka i ANR vao maika mahatsara zavatra satria fotoana tsara ahafahana mijery ny fitiavan'ny olona azy io. Ny hafa mifaninana no ho sahiran-kevitra fa tsy tokony ho ny mpanohana an-Dravalomanana na ny mpanohana an'i ANR velively.


Efa nolazaiko tany ambadimbadika tany ihany ny eritreritro raha vao nahita ity filazana tsy hirotsaka ity ny tena : Efa re ny fanambarana, izaho manokana dia miantso ny mpanohana Ravalomanana rehetra, na iza izy na iza hanaiky ny fanapahan-kevitra tsy hilatsahan’ny filoha Ravalomanana. Miantso kosa aho etoana ny tsy ametrahana mpandimby na solontenany amin’ny fifidianana eny fa na dia avy amin'ny fianakaviany aza satria tsy fantatra izay tena tanjon’iny olona iny sy nanarahany na mody nanarahany ny filoha Ravalomanana. Aoka tsy hisy kandidà milaza hisolo tena azy. Etsy ankilany kosa dia manentana ny mpanohana rehetra Hanao vato fotsy amin’ny fifidianana ho avy io hijerentsika ny lanjan’ny vato fotsy sy hahazoantsika mamariparitra ny habetsaky ny olona mety hifidy azy raha nirotsaka izy. Tsy vahaolana ny tsy mifidy fa fahaiza-mifidy ahatarafana ny herintsika kosa ny fanaovana vato fotsy.

 
Mety hihevitra isika fa tsy misy dikany na vato fotsy iray tapitrisa [na iray arivoarivo] no eo satria efa nampiarahana amin'ny vato maty ihany iny saingy tsy any no ametrahana ny tanjona hoe dia tena lasan'ny anona tokoa ny fitondrana satria ny azy ny vato manankery. Ho kivy ambony ihany isika raha izay avy hatrany no eritreretina fa ilay maoralin'ny mpanohana mihitsy no tairina. Inona ny ho fientanam-ponao raha mahita fa mahazo ny atsasa-manilan'ny safidy na hoe mihoatra noho ny isam-baton'ny mahazo vato manankery be indrindra fotsiny aza io vato io? moa tsy ho tsapanao avy hatrany ve fa anjaran'izay kandidà ambany isa noho ny vato fotsy  indray ny ho kivy sy mieritreritra lalina? Sa hody fanina tahaka ny ahoana? Moa na ny Firaisa-monina iraisam-pirenena ve tsy ho lasan'eritreritra ihany koa raha mahita fa be loatra izany vato fotsy izany ka tsy mitaratra velively ny safidim-bahoaka izany isam-bato manankery izany? Tena tsy mijery ny vato fotsy sy ny vato maty [ity farany ity no tena tsy fahaizana mifidy fa mieritreritra fifidianana delege na saindikaly angamba] ny lalàna ary ekeko tanteraka ny fisian'izany karazana fepetra izany. Tsarovy fa tsy fifidianana mifanaraka amin'ny Lalampanorenana no hotontosaina fa fifidianana vokatry ny fifanarahana vonjimaika anaty tetezamita ihany. Anjaran'ny filoha Ravalomanana no milaza mazava izay tokony atao amin'ny fifidianana... ka soso-kevitra ihany ny ahy, raha mahita ny tsaratsara kokoa moa izy dia arahaba soa arahaba tsara izany.


Izay indray aloha fa efa lava dia lava mandreraka be izany lahatsoratra izany! miala tsiny e! Ataovy toy ny trafon-kena ome-mahery, am-bava homana am-po mieritra!

 


Jentilisa 13 desambra 2012

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Desambra 2012 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox