Mahaiza mihetsika!

2013-07-21 @ 23:16 in Politika

Efa nanoratra aho ny fankasitrahako ny fomba fihetsiky ny vondron'olona ato amin'ny Facebook amin'ny fahaizana mihetsika milamina sy tsy mikorontana sady tsy hiteraka korontana raha ny tokony ho izy, afa-tsy tena fanahy iniana avy amin'ireo nirahina hanakorontana mihitsy. Ny tena mahafinaritra dia tsy hita ho manana fironana politika izy fa tena olom-pirenena te-handray ny andraikiny tokoa. Avy amin'izay ihany no ahafahany mahazo olona be indrindra izay samy mitady ny hanatontosana ny fifidianana avokoa ohatra. Tahaka izany no nampazoto ahy nanoratra ilay lahatsoratra vao andro vitsivitsy lasa izay ka iandrasana ny fotoan-dehiben'ny "fifidianana amin'ny 24 jolay 2013".

Nivoaka ny fanazavana vitsivitsy voalohany, amin'ny ankapobeny dia tsara ny fotoana sy ny hanaovana ilay hetsika, fa nahita indrokelin'ny mpandrafitra aho no nahatery ahy hanoratra indray na dia tena efa sasakalina aza ny fotoana anoratana. Averina, mety ilay fotoana atoandro amin'ny 12 ora sy sasany satria tokony hanana io fotoana io avokoa ny rehetra fa tsy voatery handeha lavitra ihany koa. Ny andro moa efa saimbolika rahateo fa efa niheverana hanatontosana ny fifidianana filoham-pirenena eto Madagasikara. Ny olana kely, nefa azo vahana vetivety rehefa manana ny fitaovam-pifandraisana ihany isika dia ny fanomanana ny fandaminana hampivaingana ho hitan'ny olona ny zavatra atao.

Ny soratako eto noho izany dia tolo-kevitra ho fanatsarana, afaka miandry fotoana manaraka, efa azo tanterahina ihany koa raha vonona satria ilaina ihany koa ny halakin'ny zavatra atao nefa mahomby. Tolo-kevitra ny hoe raha hivoaka ihany dia tsy midina an-dalambe fa manao hendry tsara eny amoron'arabe. Tsy manelingelina ny fifamoivoizan'ny fiara, mety ho tapaka an-tenatenany ny rojo nefa tsy natao hampaninona izany. Ankoatra izany moa dia tsy tiako loatra ilay izy handalo tsena na tsenam-barotra fandrao misy manararaotra, izay ihany koa ilay maha-tompon'andraikitra. Raha hivoaka ihany maninona raha ny lalana iray mamakivaky ny tanàna no hanaovana azy? Azo atao ihany koa ny manamorona ny Lalampirenena ho an'izay manomorona ny lalampirenena fa raha azo atao dia tsy ampandalovina tsena sy be tangoron'olona loatra fa mora ny fanakorontanana amin'ireny faritra ireny. Lalan'i Baltika (fr: Voie Baltique sy en: Baltic Way) no anaran'ilay hetsika tiako hanatsarana azy. Fa ny tena tsikaritra ho manao azy ity dia ny firenena tany amin'ny nofehezin'ny Sovietika teo aloha (sady tany koa no nahitana azy voalohany)

Ahoana ary raha ny eto Antananarivo ohatra? Lalana lehibe iray isaky ny faritra no ifamotoana, mora indrindra ohatra ny an'Ambohimanarina satria iny lalana fandehanan'ny fiara fitaterana iny dia efa mety. Toy izany ihany koa ireo faritra hafa tsy manana lalana afa-tsy tokana toa an'Itaosy sy ireo akaiky lalam-pirenena. Fa ny anaty tanana somary mivelatra kosa no manao ahoana? Ny firaisana voalohany, noho ilay petra-kevitra hoe tsy mandalo tsena sy be tangoron'olona loatra dia manaraka ny lalan'ny 119 fa eo amin'ny paositra 67ha (telma) no manomboka dia mitomandavana manaraka an'Andriatany sy Ampefiloha ary Anosy fa mibirioka mandalo ny Boriborintany fahaefatra (Andrefan'Ambohijanahary) dia mizotra mankany mankany...

Ny boriborintany fahatelo kosa azo atao miainga amin'ny paositra Antanimena tahaka ny lalan'ny 160 sy 166 rehetra iny fa rehefa eo Ampandrana kosa dia miakatra mankany amin'ny EPP (SFF) Ankadivato mivoaka mankany amin'ny Espace Medicale (Mascotte) ary mifampitohy mankany amin'ny Score Antsahabe (fa tsy miditra ny tonelina Ambanidia) mandeha Ankazotokana mivoaka eny amin'ny terminus 186 dia afaka mizara roa ny lalana fa ny tiako fotsiny dia mamonjy ny paositra Ambanidia indray ny tondrozotra ary dia manaraka ny lalan'ny 116, 192 mankany Mandroseza. Azon'ireo mpiasa manodidina an'Analakely ny manao valalamanjohy tsy mihetsika manaraka ny zaridaina ilany atsimo, ilay lalana tsy voatapaky ny fefin'ny Lapan'ny tanàna ka mitodika manoloana ny paositra Analakely dia afa-miakatra mamonjy an'Antaninarenina hatrany Ambohijatovo. Mety ho lava loatra ny 5mn amin'izay fotoana izao fa mety ho fohy ihany koa fa mba mila fahefakadiny ohatra. Rehefa mivoaka amoron-dalana dia amin'ny ilan'ny sisindalana ihany fa tsy manao andaniny sy ankilany. Dia izay ilay resaka, revirevy ihany ny ahy nefa toa mora tontosaina raha maro ny olona vonona. Tsy mila mihogahoga fa mba mifampitsiky sy mifampiarahaba amin'ireo olona mitovy fitakiana aminao.

Tsorina fa tsy mpikarakara aho, nefa manao izao fandraisana anjarako izao ho fampieritreretana ny rehetra, azo tontosaina ny toy izao sa tsia. Maro ny rohy azonareo hieritreretana fa izay kely fantenako koa tsy ambaka angamba. Tsy mila mihogahoga mameno arabe sy mandehandeha tsy fantatra hoe mankaiza fa mba mitazatazana hivoaka sy haka rivotra kely e! Raha mbola mahita anaparitahana olona amin'izany moa ny mpitandro ny filaminana dia voatery hilahatra hanemitra ny sisindalana ihany koa, nefa tsy vao maika ve moa ho amin'ny fandraisana anjarany izany? 

Jentilisa 22 jolay 2013 na roa andro mialoha ny "fifidianana"

 

Fampahatsiarovana ny rehetra: firenena tena nanjakan'ny fanapenam-bava no nanaovana io karazana hetsika io voalohany nefa niteraka fiantraikany goavana teo amin'ny tantaran'izao tontolo izao!

Fifidianana 24 jolay 2013 : Hotontosaina fa amin'ny fomba hafa

2013-07-20 @ 01:33 in Politika

Mandeha dia mandeha ny fotoana, ary mihazakazaka toy izany koa ny andro fa i Madagasikara ihany no tafahitsoka tsy mety tafavoaka amin'ny krizy mahazo azy. Misy ny tsy manaiky intsony ny toe-draharaha saingy tsy afa-nitroatra, satria mbola miandry tarihina hatrany, na tsy mahita ny hevitra ho entina hanehoana izany fanafintohinana izany.


Misy kosa ireo miezaka ny mifamory ka niainga tamin'ny media sosialy (Facebook) haneho sy hanandratra ny feony amin'ny alalan'ny fihetsika atao am-pisainana. Nanangana ny vondrona tamin'ny alalan'ny Facebook ry zareo ary efa nanao ny hetsika ihany koa. Hetsika notontosaina ny andron'ny fankalazana ny famerenana ny fahaleovantena, nifanindry tamin'ny fotoana nanombohan'ny matso. Wake Up Madadascar no anaran'izany vondrona izany. Nahazo fanamarihana manokana avy tamina tranonkala mpisolelaka ny fitondrana io hetsika io ary avy tamin'ny anarany amin'ny teny anglisy no tena namelezana azy. Nolazaina ihany koa ho saribakolin'ilay mpanolotsaina avy amin'ny masoivoho vahiny iray teto amin'ny firenena ihany koa moa ireo vondron'olo-tsotra te-handray andraikitra maha-olo-pirenena fa tsy hijanona ho olo-pehezina (vahoaka no nosoratany!) na valalabemandry! Mbola maro hafa ihany koa ny kiana nataon'ny olona sasantsasany manana sehatra itenenana amin'ny mpihaino maro saingy tsy nahakivy ireto vondron'olom-pirenena ireto izany.


Niditra tamin'ny dingana faharoa ry zareo ny andron'ny 18 jolay nentina hilazalazana an'i Nelson Mandela ary naka toerana anaty trano afovoan-tanàna iray nanaovana izany. Tetsy amin'ny Tahala Rarihasina io ary natao hamohazana ny olona hifoha amin'ny torimasony sy haka ny sata maha-olompirenena manana andraikitra hanarina an'i Madagasikara azy. Nihanivaingana kokoa ny hetsika niainga tamin'ny aterineto tamin'io fotoana io, satria tsy vitsy ireo olona nandalo teny. Taorian'ny hetsika ankalamanjana notandremana fatratra tsy hisian'ny fihoara-pefy dia naharitra ora maromaro kokoa indray ity fotoana ity. Tsorina fa midera izay fomba fiasa izay ny mpanoratra. Tsy mahalala aho raha nisy ny fanentanana tamin'ny haino aman-jery fa nafana kosa ny fanentanana tamin'ny alalan'ny tambajotra sosialy. Ho avy indray ny dingana manaraka ary amin'io herinandro io izany!


Ny andron'ny 24 jolay 2013 no nokasaina hanatontosana ny fifidianana filoham-pirenena teto Madagasikara, nitsaha-ketrika tampoka anefa io fotoana io rehefa noforonina ny olana eo amin'ny tontolo politika. Hanamarika izany amin'ny fombany anefa ry zareo ao amin'ny Wake Up Madagascar, heveriny ho toy ny hisy ihany io fifidianana io ary efa mampiomana ny rehetra sahady ry zareo hanaraka tsy tapaka ny pejiny hamoahan-dry zareo amin'ny antsipirihany ny karazam-pifidianana hatao amin'izany andro izany. Raha namaky ny lahatsoratry ny namana iray anefa ny tena dia afa-mitarataratra sahady hoe tahaka ny ahoana no mety ho atao amin'io fotoana io. Karazana hetsika hitondrana hetaheta izay miompana amin'ny hoe "Satria tsy avela hifidy isika". Tena mandeha isan'ambaratongany ny zavatra tontosaina, ary mihevitra aho hatreto fa tena manao azy am-pisainana ry zareo mpikarakara. Ny mampiavaka azy ity dia ilay hetsika niainga manokana tamin'ny tambajotra sosialy fa tsy avy amin'ny haino aman-jery loatra nefa dia irariana sahady ny ho fahombiazany.


Nahoana tokoa no tsy hirary ny fahombiazany raha mitondra ilay hetahetan'andian'olompirenena ry zareo [Valalabemifoha]? Hatreto ankasitrahako ny zavatra ataony sady mitandro hatrany ny tsy isian'ny fandrobana na vakitrano ry zareo. Nanoratra izao aho ho fampahafantarana anao mpamaky fa misy ny fandraisana andraikitra ataon'olompirenena eo anivon'ity krizy ity ka sao mba mahaliana anao ihany koa ny zavatra ataony. Karazam-panoroan-dalana hamoahanao ihany koa ny hevitrao, ny hetahetanao, ny tsikera avy aminao ho hitan'ny besinimaro tsy ilàna herisetra na korontana. Entina hamaranana, karazana torohevitra ihany: aza miankina amin'ny sms ianao fa mety ho ora dimy na enina, eny, mety ho ny ampitso na andro maromaro mihitsy aza vao mety ho tonga any amin'izay iantefany iny fa antso mivantana atao. Efa fantatry ny mpikarakara ny Wake Up Madagasikara angamba izany ka izay no nandrisihany ny olona hanaraka hatrany ny pejy ofisialiny fa tsy amin'ny toeran-kafa! Mirary soa ho an'ny Wake Up Madagascar, mirary fahendrena sy fahombiazana... Ho anao olom-pirenena manana kaonty Facebook kosa: raha ankasitrahanao ny ataon'ireo mpikarakara ny Wake Up Madagasikara dia tsindrio ny "J'aime" na ny "Like" ao amin'ny pejy Facebookn-dry zareo...

Jentilisa 20 jolay 2013

Revolisiona andala-panovana an'i Madagasikara!

2013-07-04 @ 10:11 in Ankapobeny

Hiresaka tena revolisiona avy amin'olo-tsotra, mety ho tsy mahalala akory ny asan'ny tambajotra an-tserasera, aho. Revolisiona tsy manimba zavatra na mandroba fananan'olona fa revolisiona ho amin'ny fivoarana tokoa mba hilaharan'i Madagasikara tsikelikely amin'ny firenen-kafa ka tsy ho menatra amin'ny azy intsony afaka fotoana vitsivitsy raha henatra hatrany no nentina nandritra ny fotoana maro.

Fa araka ny mahazatra dia hiresaka zavatra hafa tsy misy idirany vetivety aho fa sao lazaina ho tsy te-hiresaka ny politika eto Madagasikara. Nisy manko ny fampihaonana ireo filoham-panjakana voafidim-bahoaka teo aloha sy ny filohan'ny tetezamita, napetraky ny miaramila nanongam-panjakana ho amin'izany voninahitra izany, nokarakarain'ny FFKM ny andron'ny 3 jolay 2013. Raha ny tokony ho izy dia ny filoha voafidim-bahoaka mbola velona rehetra no nihaona tamin'ny filohan'ny tetezamita, saingy nandamoka moa izany fampihaonana izany, na dia mbola notanterahina ihany aza, noho ny fanakanana ny iray amin'ireo filoha teo aloha voafidim-bahoaka nanao ny sesintany ny tenany tany Afrika Atsimo, tsy hiditra eto Madagasikara. Ny fanakanana dia avy amin'ireo mpitariky ny tafika eto Madagasikara fa mpanatanteraka fotsiny ihany ny sivily eo amin'ny fitantanana, toy ny filohan'ny tetezamita na ny lehiben'ny ACM (Aviation Civile de Madagascar).

Hevitra tsotra ny ahy raha manaraka ny toe-java-misy aho. Nataon'ireo lehiben'ny tafika izay hampandamoka io fampihaonana io ho fampandresen-dahatra fa tsy lalana mankany amin'ny vahaolana velively ny fampihaonana kasaina hotanterahina na aiza na aiza eny fa na eto Madagasikara aza. Ny tsikaritra anefa dia tsy tena izay fampandresen-dahatra izay no midona any amin'ny vahoaka fa ny sarin'ilay tafika malagasy matahotra olona iray, matahotra ny vali-fingika fingàka avy aminy, satria efa andala-pahafantarana ihany ny olona hoe ny tafika no tena mitondra fa saribakoly mahafatifaty ihany ilay aderadera vahoaka. Misy moa ny miteny fa ny Renimalala indray no ao ambadiky ny miaramila, ka asa na resy lahatra amin'izany ianao na tsia. Koa eritreritra ihany ny ahy fa raha ny tafika hatrany no mampametraka olana dia ny vahaolana tsara indrindra "andrasana" dia avy ao amin'ny tafika ihany koa ny vahaolana, fa ny tsy mbola hitako tsara dia ny hoe mila fanomanana henjana sy fiaraha-miasa avy amin'ny sivily mahatarika ny olona hidina an-dalambe, tahaka ny any Ejipta ve izy ity, dia ry zareo ao amin'ny tafika no mamita ny ambiny? Na olo-tsotra ao an-toerana sy iraisampirenena aza dia misy mihevitra fa mety ho lasa tahaka ny any Pakistan na Alzeria (vakio ato[1] sy ato[2] ary ato[3] ny globalvoices teny malagasy miresaka momba izany) ny toe-javatra amin'izay fotoana izay, izany hoe tsy mitsahatra intsony ny krizy na naharitra taona maromaro niteraka fampihorohoroana avy amin'ny mpanohana ny FIS. Risika tsy maintsy raisina izany fa raha tiana sy tsy mampaninona moa ny toe-draharaha ankehitriny eto Madagasikara dia tsy ilaina mihitsy ny fidinana an-dalambe (sady tsy maintsy hisy ihany ny fanararaotana ataon'ny sasany handroba sy hanimba rehefa tsy manana fifehezana ny maro).

Izay no ela fa ilay revolisiona nisoko mangina saingy nahery vaika amin'izay no lazaiko. Nahery vaika satria avy amin'ny saranga ambanimbany na antonontonony tsy voatery ho liana politika no niaviany. Resaka vola izany, ilay ravi-taratasim-bola iny e! Iza indray no tsy mahalala fa malaza amin'ny haratsiam-bola taratasy ny eto Madagasikara. Maro amin'ireny vola ireny, indrindra fa ireo sanda ambanimbany, no tsy hita intsony izay endrika tsara maha-vola azy fa dia rehefa hita hoe tahaka ny vola tokoa izy izany dia raisina ilay izy ary mivezivezy eny rehetra eny. Ny eto afovoan-tany no tena malaza ratsy amin'io vola ratsy sy maloto io fa mba efa nisy ny fotoana nidinana tany Toamasina, folo taona mahery lasa izay, fa mba tsara endrika ihany ny any amin'ny tanàna toy ireny. Ny dingana voalohany moa, araka ny fantapantatra avy amin'ireo niresadresaka amin'ny tena ihany, dia tany Antsirabe no niavian'ity revolisiona milamina nefa mahery vaika ity no tonga teto Antananarivo avy eo. Rehefa teto Antananarivo indray dia teo amin'ny tsenan'Anosibe no niaingany ka niely tany amin'ireo ambany tanàna hafa vao nanerana an'Antananarivo renivohitra. Nanao ahoana ny fizotry ny revolisiona? Tsy manaiky vola rovitra nasiana scotch intsony ny mpivarotra sy ny fiara fitaterana ary ireo toera-pihinanan-kanina mahazatra ny olo-tsotra miavo-tena. Na aiza na aiza alehanao amin'ireo toerana voatonoko ireo dia vitsy sisa ny olona mandray vola misy scotch na dia mbola tsara endrika aza ny volanao. Moa va tsy revolisiona tsara izany ry zareo?

Mbola vao dingana voalohany ihany io fa efa mandeha tsikelikely ihany koa ny dingana faharoa, mbola mandray vola malazo dia malazo ihany manko ny maro hatreto rehefa tsy rovitra na tsy misy scotch ilay izy, saingy efa manomboka tsy mety handray vola malazo sy ratsy dia ratsy endrika ihany koa ireo mpivaro-madinika (tahaka ny mpivarotr'anana)  noho ny fanahiana mahamora rovitra ny vola ka sao tsy raisin'ny mpanjifa eo. Raha izao no mitohy dia mety ho avy ihany koa ny tsy fanekena ny vola maloto na miforiporitra (na dia tsaratsara endrika aza) ary hiafara amin'ny tsy fanekena vola miforitra indroa na in-telo. Dia hiafara amin'ny fahatsaran'ny vola malagasy sy ny fahadiovan'endriny ihany izany fizotry ny toe-javatra izany ary, raha izaho manokana dia faly amin'izany satria efa ho roapolo taona izay no tsy nanekeko io endri-bola malagasy maloto sy rovidrovitra ary miforiporitra io. Fa ny fanontaniana dia izay mety ho tena nahatonga ity revolisiona ity. Ny nalaza tany Antsirabe dia nisy ireo tsy manaiky ilay vola misy scotch fa hoe raisiny atsasa-bidiny io raha raisina ihany. Ny ahy kosa tombatombana fa noho ny fahamaroan'ny Malagasy tsy mahay mamaky teny sy manoratra ka tsy mahita ny fahasamihafan'ny laharam-bola nefa tsipahin'ny hafa no nandraisany fepetra tsy handray izay vola rehetra misy scotch. Ekena tokoa fa misy tsy mahamety ny fitsipahana ilay vola tokony mbola miasa sy manan-kery nefa misy lalana hafa azo aleha ankoatra izay mitranga amin'izao fotoana izao ve? Izay no zavamisy eto Madagasikara ry zareo fa ny faniriana dia ny hahatontosa izany haingana dia haingana ho hatramin'ny farany...

Jentilisa 04 jolay 2013

 

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jolay 2013 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox