Tsy Ilaina Intsony ny Fampitaham-Bato!

2013-12-27 @ 11:38 in Politika

Hifarana ny taona 2013, hifarana amim-pahakiviana sy amin'alahelo, nefa toa tsy hitondra fanantenana sy hafaliana akory ilay taona vaovao 2014. Tsy hoe resy izay nosafidiana dia kivy sy malahelo fa ilay halatra tamin'ny dingana rehetra sy ny sehatra mihitsy no mahatonga likiliky anaty tsy mampazoto miasa sy tsy mampazoto miresaka, ary mety ho maro ny olona tahaka izany nefa mety tsy hisy ihany koa fa izaho irery no maka lagy eo. Tsorina fa efa nivonona ny hanaiky ny voka-pifidianana aho raha tena avy amin'ny safidin'ny olona tokoa ilay izy saingy ny tsikaritra kosa tsy mamela. Rehefa miresadesaka amin'ny hafa ihany koa dia vao maika zendana amin'ny fitadiavam-pandresena amin'ny fomba rehetra ataon'ny sasany na mendrika ilay zavatra atao na tsy mendrika... fa ny tsy mendrika sy ny tsy rariny no betsaka kokoa. Tsorina ihany koa fa zary mahay ny fomba rehetra hangalaram-bato aho, na dia vao in-droa (in-telo raha miaraka amin'ny referandaoma izay tsy nandraisana anjara) monja aza isika Malagasy no nampiasa ity biletà onika na vato tokana ity. Andeha hoe hosoratana izay tadidy!

Fomba fangalaram-bato

Misy ireo fomba fangalaram-bato mialoha ny fifidianana na amin'ny fanomanana moa izany izay efa nomarihako ihany saingy toa tsy misy miraharaha dia ny avy amin'ny lisitra aloha voalohany indrindra. Efa zatra ny fanaovana ny lisitra araka ny laharan-trano ny Malagasy ka avelao amin'izay ihany. Hafetsena ilay hoe mijery ny anaranao amin'ny lisitra ianao, fa ahoana kosa ny hanamarinanao fa tsy misy mpifidy hafa ankoatra anareo ao amin'ny laharan-tranonao? Tsy mbola nisy namaly io hatramin'izao. Any anefa no miainga voalohany indrindra ny fangalaram-bato raha misy olona hafa miray trano aminao, izay tsy fantatrao, nefa afa-mifidy soa aman-tsara. Nisy olona, noho ny fahazotoan'ny tao amin'ny fokontaniny nanavaka isaky ny laharan-trano sy nizara izany isan-tokantrano, nahazo karatra amin'ny anaran'olona enina tsy fantatra velively nefa dia ao anaty lisitra sy nanaovana karatra.

Manaraka izany ny fahazoan'olona maromaro karatra roa na mihoatra, dia tsotrabe ny olona namerina ireny, nefa tokony norovitina na nodorana ireny tsy ho ampiasain'olo-kafa. Re moa fa nisy ny tany ananonanona tany (tadiavo amin'ny gazety) nizara ireo karatra tsy nisy nandray hifidianan'ny olona hafa azy. Halabato efa henjana koa izay satria mandiso ny isan'ny nandrotsa-bato marina. Izay tadidy eto am-panoratana moa no lazaina fa raha mahita ianao dia tsara ny manoratra izany.

Misy koa ny fangalaram-bato mandritra ny fifidianana izay tsikaritra amin'ny endrika maro ihany koa:

Nisy ny biraom-pifidianana nahitana taratasy fotsy tsy nahitana na inona na inona rehefa nandeha ny fanisana. Hevitra tsotrabe eo noho eo ny hoe vato fotsy iny izany. Saingy ilay biletà misy laharana dia ahafahana milaza fa efa misy fikasana hanao zavatra tsy mety amin'ny fahitana iny taratasy fotsy tsy misy na inona na inona iny. Raha entin'ilay olona mody ny vato dia ataony inona? Nahoana no atakalo taratasy fotsy tsy misy na inona na inona, na mody asiana sary na soratra tsy manaiky fifidianana ohatra dia maninona? Iny taratasy fotsy iny, na ireo taratasy tsy biletà narotsaka tanaty vata ireo dia efa azo ahiahiana fa misy ny fikasana hangala-bato ao amin'io birao io, dia iny ihany no tsy mifanaraka amin'ny laharana tokony ao amin'ny birao raha misy ny fanamarinana ny laharan'ny biletà mirotsaka ao anaty vata. Mahavita zavatra be dia be anefa taratasy (iray monja) iny eo amin'ny sehatry ny fangalaram-bato ka ataoko toy ny tantara kely izany.

Raha tsy mety nahazo vato mialoha tao amin'ny birao iray izay te-hangala-bato dia mividy vato izy. Izao no ataony: entiny ny taratasy manana endrika sy habe A5 iray, satria efa nolazaina mialoha fa habe sy endrika A5 ny taratasim-pifidianana ho filoham-pirenena. Miandry eny akaikikaikin'ny biraom-pifidianana amin'izay ny mpihaza mpifidy. Mikendry olona iray na roa na mihoatra heveriny ho azo vidiana izy (aza atao mahagaga raha hiova ny vokatra eny ambany tanàna!) dia resahiny hoe: ento aty hovidiako 15.000ar na 10.000ar ny vatonareo dia omeo ahy fa ity taratasy ity arotsaka ao. Dia raha manaiky ilay (ireo) olona dia mifanakalo fotsiny ny taratasy sy ny vola dia vita ny dingana voalohany.

Dingana faharoa, asiana marika an-taratasy (feutres no be nampiasa nefa stylos ny tao anaty birao, na stylo mena na manga no nampiasaina raha stylo manga ohatra ny an'ny ao amin'ny birao) eo amin'ilay safidy hofidiana dia mijery izay olona hafa mety ho azo vidiana ihany koa ny safidiny ka ifanarahana fa entiny mivoaka ny biletà tokony arotsany fa ilay nomen'ny mpihaza olona no arotsaka. Rehefa mivoaka avy any amin'ny biraom-pifidianana indray ilay (ireo) olona dia mifanakalo biletà mbola tsy nisy marika sy ny vola nifanarahana. Mandeha noho izay ny bizina amin'iny lafiny iny satria tsy maintsy maka ny anjarany ihany koa ny mpihaza mpifidy.

Raha mahazo olona iray isaky ny adiny iray ilay mpihaza dia nahazo haza folo izy izany nandritra ny tontolo andro. Raha atsasakadiny dia efa roapolo izany. Azo marihana anefa fa saika ny maraina ny olona no nifidy fa somary nihanalalaka kokoa ny folakandro (jereo ny taham-pandraisana anjara) ka mety hahazo hatramin'ny haza iray isaky ny fahefakadiny ny mpihaza iray na isaky ny folo minitra aza,izany hoe efatra isaky ny adiny iray na efapolo ao anatin'ny tontolo andro. Izany hoe raha ny 75% monja amin'ny biraom-pifidianana no nanaovana izay hetsika izay dia manome isan'ny biraom-pifidianana 15.000 izay ka raha io no ampitomboana mpifidy 40 raha mpihaza iray isaky ny biraom-pifidianana iray ihany no kaontiana (fa mety misy mpihaza roa na telo isaky ny biraom-pifidianana io) dia efa manome isam-bato 600.000 na 15%n'ny mpifidy nandrotsa-bato.

Mariho anefa fa tamin'ny fampielezam-peo ihany dia efa nandrenesana fa lany antenantenam-potoana ny biletà, izany hoe raha tsorina dia na ny ceni-t no ninia nanao isam-bato tsy ampy na nisy niray tsikombakomba tamin'ny mpividy na mpihaza mpifidy ny mpikambana miandraikitra io biraom-pifidianana io. Tsy nilaza ny isan'ny bileta rezerva isaky ny biraom-pifidianana moa ny Ceni-t fa raha toa ka tsy ampy noho ny isan'ny mpifidy voasoratra anarana ny isan'ny biletà dia efa be dia be izany ny mpihaza mpifidy mijorojoro ao ivelany ao hividy safidy. Aza atao mahagaga koa noho izany raha mihoatra noho ny isan'ny mpifidy nandrotsa-bato ny isan'ny biletà tafiditra anaty vata satria mety tsy ho hitan'ny mpanamarina akory hoe roa anie ny biletà indray ampidirin'olona iray.

Resaka teny ho eny indray no nandrenesako zavatra toy izao: Naharay antso ny delege iray dia mampita ny resaka amin'ny namany mety ho azo irahina manao hoe, tsy misy mpifidy, hono, letsy izao atsy ananona ka makà ialahy sakafo any amin'ny QG hitondra sakafo ho an'ny namana ao. Resaka tsotra nefa misy zavatra ambadika ambarany, tambatambazana na ahodikodin-doha (diversion) ny ao amin'io birao io hanentsenana vato hafa na hanovana ny vata mihitsy. Meto ho mbola maro ny halatra mandritra ny fotoam-pifidianana, toy ny fividianana delege na birao fa ambadika tsy hita maso moa izy ireny.

Raisina eto ihany koa ny fangalaram-bato mandritra ny fanisam-bato, dia ny manonona anaran'olona hafa nefa hafa ny safidin'ny olona. Haingana dia haingana ny mpanisa vato mampiseho ny vato ka tsy fantatra marina na izay tokoano voamarika na tsia. Nisy nahatrarana ho nanao izany anefa tamin'ny mpanonona vato saingy toa afa-maina fotsiny izy ireny rehefa bedy am-bava.

Endrika fangalaram-bato aorian'ny fifidianana.    

Eto no tena betsaka ny fangalaram-bato satria vitsy kokoa ny vavolombelona afa-manara-maso. Izao voasoratra anaty PV ihany no ekena nefa izay tena isa teny amin'ny tabilao sy voakajy tokoa ve? Fa izay tena tiako asongadina kosa dia tsy misoroka ilay endrika fangalaram-bato ahiahian'ny olona mihitsy ny ceni-t fa ny ataony ihany no ataony. Tsy afa-manao kajy indray mitopy maso mihitsy ny olom-pirenena fa tsy maintsy mamadibadika pejy na taratasy natao printy. Maninona no tsy mahasahy mampiseho ny mangarahara? Tsy hita fototra akory ny valiny ankapobeny manerana an'i Madagasikara fa efa nandalovan'ny valiny niseho tao avokoa izany hoe ny isan-jaton'ny anankiray nahazo isa be indray no kely noho ilay iray sy ny isam-baton'ny kandidà iray (fa tsy isan-jato) nihena am-pandehanana. Mandra-pahasahian'ny ceni-t mampangarahara ny vokatra ataony sy mora topazana maso indray mandeha ny vokatra rehetra dia isa petatoko natao hanamboarana ny toe-tsain'ny mpanara-baovao hanaiky ny fampandresena ny kandidà iray fotsiny no ataon'ny ceni-t. Efa hatramin'ny namoahana ny vokatra voalohany indrindra no nanaovany io fihetsika io.

Raha misy anefa ny fampihenana vato ataon'ny CES rehefa foanana ny vokatra farany dia ny isa ankapobeny izay lazaiko fa PETATOKO io fotsiny no anesorana ilay vato foanana fa tsy hiainga amin'ny fanisana hatramin'ny voalohany miainga amin'ny birao, fokontany, distrika, faritra mihitsy izy. Izany no mahatonga ahy hamintina sy nanao ny lohateny hoe "Tsy ilaina intsony ny fampitaham-bato" io satria isa petatoko apetraka fotsiny io fa tsy niainga avy amin'ny safidin'ny olona velively. Ivereno vakiana indray ilay filazalazana nataoko tamin'ny fizotran'ny fivoahan'ny valim-pifidianana tamin'ny fihodinana voalohany dia hazava tsara aminao ny antony namoahako io filazana io.

Jentilisa 27 desambra 2013

Anjaran'ny Ceni-t ny mampilamina an'i Madagasikara

2013-12-21 @ 08:46 in Politika

Dia azo tohizana ihany koa ny lohateny hoe dia miaraka amin'izay ihany koa ny CES na ny Fitsarana Manokan'ny Fifidianana. Hatreto dia ireo sisa no azo antenaina hampilamina tsy misy raorao an'i Madagasikara.

Voalohany, toy ny nanao zavatra tsy milamina loatra ny tao amin'ny kandidà sy ny mpanohana azy ireo tsirairay avy. Niainga izany tamin'ny fivoahan'ny didy hitsivolana tsy fanta-piaviana izay nahafahan'ny sasany nandika lalàna maro dia maro sy nahafahana nampiova zavatra maro dia maro teo amin'ny fampandresen-dahatra ny mpifidy. Dia talanjona ny rehetra avy eo fa vita tanteraka ny fampielezan-kevitra vao nofoanan'ny CES izay didy hitsivolana izay. Mampiahiahy tanteraka mitondra mankany amin'ny tsi fitokisana ny CES izay toe-javatra izay satria moa ve mitarika ho amin'ny fanilihana ny kandidà iny fandikan-dalàna miharihary iny? Tadidio fa ny minisitry ny serasera no nandika voalohany ny lalàna tamin'ny fanatrehana propagandy ampahibemaso dia nivoaka avy eo ny fomba fijery sy didy niaro ny zavatra nataony... dia niitatra tsikelikely izay toe-javatra izay nefa tsy nisy fanamelohana avy any amin'ny Fitsarana.

Faharoa, efa nasehoko teto ny tsy fisian'ny mangarahara mihitsy avy amin'ny voka-pifidianan'ny ceni-t tamin'ny fihodinana voalohany ary tsy niezaka ho amin'ny fanazavana sy ny fandresen-dahatra mihitsy ry zareo fa nanosika hatrany ho any amin'ny tian-kano tsy tian-kano. Dia tsy nisy mihitsy ihany koa ny filazana fahavononana hanao ny tsara kokoa sy ny hampisy ny mangarahara, izay niainga avy amin'ny lisi-pifidianana mihitsy aloha voalohany indrindra, tsy lazaina intsony avy eo ny ahiahy teo amin'ny voka-pifidianana. Tokana ihany no takiana amin'ny Ceni-t mba haharesy lahatra tsara ny olona, avoahy mangarahara ny voka-pifidianana sy ny kajy rehetra. Efa tsy miteny intsony ny nandrafetana ilay lisi-pifidianana izay efa tsy milamina aza aho amin'io fotoana io. Raha tontosa soa aman-tsara io mangarahara io ka mampikombona izay mety ho tsikera rehetra, dia manampy be dia be ho amin'ny fampitoniana ny fon'ny mpanohana tsirairay avy izany ary hahaizany mionona,saingy tsorina kosa aloha fa lavitry ny afo ny kitay amin'izay fotoana izay.

Fahatelo, Efa nofoananareo CES ary iny ilay didim-panjakana niteraka fiovan-javatra be dia be teto amin'ny firenena dia ahoana ny tohiny? Izaho manokana dia mahafantatra fa niainga avy amin'ny vokatry ny Ceni-t ihany no namoahanareo ny vokatra tamin'iny fihodinana voalohany iny fa resaka be fotsiny ny ankoatra izay. Samy mpahay lalàna ianareo rehetra ao ary mahay ilay fomba fiteny hoe "Dura Lex,Sed Lex" izay araka ny nolazaina tamiko ny dikany dia manao hoe "Mafy mafaitra ny lalàna, fa izay no lalàna". Ampiharinareo hatramin'ny farany ve izany sa mbola misy olona heverinareo ho amboninareo ka afaka manome baiko anareo hatrany? Raha manambara ny lalàna hoe "Mihintsana (disqualifé) izay nanao fihoara-pefy nampiova ny safidim-bahoaka" dia hotontosainareo ve izany? Sa manao izay hampandresena izay tian'ny sasany handresy fotsiny ianareo? Nefa raha tanterahanareo hatramin'ny farany ilay "Dura Lex Sed Lex" dia mety hiteraka fanantenana eo amin'ny rehetra ihany izany.

Farany izay nofinofy tsy ho tanteraka, raha vonona tsy manana tahotra mampihatra ny dura lex sed lex ny mpitsara hany mahefa ity fifidianana ity dia tokony hihintsana ny kandidà laharana fahatelo saingy tsy hisy izany raha ny fijery ny zavamisy. Azo nofisina ihany koa ny hamerenana indray ny fihodinana faharoa mba hahafahan'ny tsirairay manarina ny tsy mety nataony saingy lasa nofin-jaza ihany koa izany, satria miankina amin'ny didin'ny mpitsara izany fa hahavita izany ve ireo? Tsy mbola nahita na nahare aho fa mba ilazao ihany raha mahafantatra ianareo hoe naverina mihitsy ny fifidianana fihodinana faharoa rehefa tsy sahy ny manintsana avy hatrany ny nahazo vahana tamin'ny tsy fampitoviana vintana sy lenta ny kandidà roa tonta.

Fehiny, afa-mionona ny resy raha manjaka ny mangarahara fa anjaran'ny ceni-t manontolo sy samirery ny mamoaka ny mangarahara tsy misy pentina sy tsy misy afenina amin'ny voka-pifidianana. Anjaran'ny kandidà tsirairay avy ny mampiray hina ny Malagasy rehetra tsy misy anavahana sy tsy misy fanilikilihana mba hitodika amin'ny fampandrosoana amin'izay.


Jentilisa 21 desambra 2013

Faradoboka, Iza ary no hofidiako?

2013-12-18 @ 08:10 in Politika

Hifarana sahady ny fampielezan-kevitra fa hiditra amin'ny fifidianana fihodinana faharoa isika eto Madagasikara. Hiditra amin'ny dingana vaovaon'ny tantaran'i Madagasikara indray ny olom-pirenena rehetra na tiany izany na tsy tiany, na iza lany eo na iza.

Nahitana zavatra isan-karazany tokoa ny fampielezan-kevitra fa ny tontolon'ny bilaogy no mety ho mangina amin'izany. Efa lasan'ny tontolon'ny fitaovam-pifandraisan'ny fiaraha-monina (tambajotra an-tserasera na tambajotra sosialy) tanteraka ny sehatra, saingy ny olana amin'ireny karazam-pitaovana ireny dia, mety tsy ho hitanao intsony ny zavatra nosoratanao vao tapabolana lasa izay. Izany no tombon'ny bilaogy na mety ho heverina ho lany andro aza izy indraindray: Voatahiry sy mora karohina hatrany izay nosoratanao na soa izany na ratsy.

Miara-dalana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa sy ny fifidianana depiote, izay raha dinihana, dia niniana natao hampizara roa ny safidin'ny olona ary tsy hahazoan'ny mahaleotena vahana mihitsy. Raha izay moa no kinendry dia karazany nahomby sy nety ihany satria, fijery manokana ny ahy, na inona na inona filazana dia mersenera ara-politika izay mahaleotena lany eo, indrindra indrindra ka tsy maneho ny safidiny amin'izay hofidiany amin'ireo kandidà roa farany amin'ny filoham-pirenena izy. Mety hisy ny mahaleo tena,olona efa fanta-daza ka efa fantatra ny fironany, tsy manakiana ireny olona ireny aho fa misy antoko manana ny politikany hanandratra ilay olona kandidà fa somary manakona kosa ny antoko niaviany... ireny no mety ho maro kokoa amin'ireo mahaleotena mirotsaka sarotra kosa ny hahatafita ireo mahaleotena tsy fanta-piaviana eo amin'ny sehatry ny politika. Mahatalanjona tokoa ny mahita ireo mahaleotena sasantsasany tena mandrara-bola sy mandany harena tokoa mba hahalany azy ho depiote, ary tena mahery vaika noho ny fikambanana goavana ara-politika ny propagandy nataony.

Tsikaritra iray nivandravandra tamin'ity indray mitoraka ity ihany koa ny nisian'ny fifaninanana eo amin'ny mpiray ankolafy (indrindra fa ny ao amin'ny ankolafy Ravalomanana). Efa nisy ny tsi-fifampitokisana teo amin'ny mpitarika sy ny mpanaraka, ka tsy fantatra intsony hoe iza amin'ireo mpirotsaka ireo no to-teny kokoa eo anatrehan'ny mpanaraka. Ho hita eo ny fahombiazan'ny samy mirotsaka manoloana ireo kandidà hafa sy mahaleotena manambola be sy miezinezina ny propagandy nataony nandritra ny fotoana nanaovana izany. Arahiko maso manokana ny boriborintany fahadimy eto Antananarivo, faritra azo lazaina fa midadasika indrindra eto Antananarivo renivohitra (mahazo ny faritra avaratra sy atsinanan'ny tanànan'Antananarivo iray manontolo). Roa ny kandidà ofisialin'ny Ankolafy Ravalomanana, tena samy ofisialy, ary hifaninana amin'i MAPAR sy kandidà mahaleotena roa matanjaka sy nanambola nandrakofana haino aman-jery isan-karazany dia i Jaytaxxx, tompon'ny rdj, sy i Veronique izay malaza ho mahazo fanohanana ara-bola amin'ny vondrona mpampiasa vola shinoa (tsy voamarina). Ny mpanoratra, araka ny efa hahafantaran'ny mpamaky azy, dia tsy miala amin'ny kandidà tohanan'ilay sesintany any Afrika Atsimo amin'ny fomba ofisialy, mba tsy hampiparitaka ny vato (iray amin'izy mirahalahy).

Jentilisa 18 desambra 2013

Fandresena mangidy, faharesena mamy!

2013-12-03 @ 08:18 in Politika

Ao anatin'ny fampielezan-kevitra isika eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Efa nananana ny safidy ary tsy miova izany saingy tsy safidy an-jambany fa miaraka amin'ny fampitandremana avy hatrany. Volana imaso tsy mba kilema ary raha mbola azo sorohina ihany koa dia sorohy fa ny nenina tsy eo aloha hananatra fa eo aoriana handatsa.

Tombana ihany noho izany no ilazako fa raha hibata fandresena ny kandidà izay hofidiako (33 JLR) ho filoha dia ho fandresena mangidy izany. Samy maka ho azy ny kandidà ho depiote, misaritaka tanteraka, ho an'ny ankolafy Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy. Efa nahatsinjo ny hanambatra ho amin'ny vato tokana kosa ny avy ao amin'ny ankolafin'ny mibahana ny fahefana amin'izao fotoana izao, ary izay ilay atao hoe fahaizana politika noho ny fahaizana mitsinjo ny hoavy politika sy izay tokony ho fizotran'ny raharaha. Mety ho resy ry zareo ao amin'ny fitondrana mifehy ny tetibola goavana, saingy hahatafiditra depiote maro izy, ary Antananarivo ihany no hifidy azy ireo... na ny marina kokoa noho ny fanasaritahana vato avy ao anatin'ny samy ankolafy Ravalomanana ihany, dia ho azon'ny "Depiote Miaraka Amin'ny Prezidà Andry Rajoelina" ny atsasaky ny seza eto Antananarivo renivohitra (6/12) ary tsy ho latsak'izany ihany koa ny isan'ny depiote eto amin'ny faritanin'Antananarivo. Koa raha ny eto amin'ny faritanin' Antananarivo izay heverinao hahamaro an'isa anao aza moa no ho tahaka izay, moa tsy hanjaka tanteraka ry zareo ivelan'ny faritanin'Antananarivo ? Tsy hisy resaka hala-bato izany fa tena avy amin'ny safidin'ny olona mihitsy.

Noho izany, manoratra izao zavatra manaraka izao aho hampiomanana sahady ny rehetra fa raha mandresy ny kandidà Robinson amin'ny fifidianana ho filoha, ary efa tsinjotsinjo ihany izany, dia amin'izay ihany ihany izy no handresy fa ho lasan'ny hafa kosa ny maro an'isa amin'ny depiote.  Nefa raha sanatriavina handresy amin'ny filoha kosa ny fôtôkôpian'ny lokon'ny "tiko" dia sady hahazo ny filoha izy no hahazo ny maro an'isa ihany amin'ny antenimiera... tsy ho voahelingelina loatra intsony amin'ny fomba fitondrana. Ka moa ve tsy mba misy fepetra hentitra azon'ny ao amin'ny ankolafy Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy hanambarana ny vato ho amin'ny kandidà iray isaky ny fari-pifidianana iray? Ananako alahelo manokana ny boriborintany fahadimy izay misy ahy, satria olona telo be izao samy mpitarika ao amin'ny ankolafy Ravalomanana, no hifaninana sy hifanjinja, nefa ny kandidàn'ny sasany eto misoko mangina manao izay handresena ary faly tokoa mahita ireto mpiara-dia lasa mifaninana ireto. Tsy misy mahalefitra ve ireto kandidà ireto... fa dia miady mafy fotsiny ny ho lany? Dia ahoana raha tsy misy tafiditra ianareo na dia ny iray aza?

Raha miresaka kandidà aho eto dia tsy miresaka momba ny kandidà mahaleotena satria raha ny amin'izao fotoana izao ny kandidà mahaleo tena rehetra dia mersenera avokoa, tsy fantatra izay tena safidy politikan'ireny olona ireny ary manao izay tiany ataony afa-mivadibadika loko politika araka izay mety ho ahazoany tombontsoa kokoa.


3 desambra 2013

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Desambra 2013 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox