Tsy nety natao saribakoly i Hery Rajaonarimampianina!

2014-01-29 @ 20:44 in Politika

Somary hafa mihitsy ny fizotry ny toe-draharaha politika eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Raha tantara tsangana dia efa tena eo amin'ilay mampitaintaina indrindra izy amin'izao fotoana izao. Heverina hoe ho tapitra ihany ilay tantara nefa toa tsy araka izay niheverana azy araka ny piesy teathraly malagasy (nametahana ilay anaram-panesoana hoe tantara gasy). Ilay kandidà resy tamin'ny fihodinana faharoa tamin'ny fifidianana filoham-pirenena no tena voapetaka ho saribakoly kanjo ity nandresy no tsy manaiky ho atao saribakoly araka ny itiavan'ireo nilaza fa nifidy azy satria io no notohanan'i Andry Rajoelina. Olombelona io ary manana ny maha-izy azy raha eo amin'ny mari-pahaizana aloha!

Tsy teto Antananarivo ny tena noho ny raharaham-pianakaviana fa tany Fianarantsoa tany nandritra ny androm-pianianana sy fametrahana an'i Hery Rajaonarimampianina ho filoham-pirenena tetsy Mahamasina. Niezaka ihany anefa nijery ny vaovaon'ny TVM ny zoma, andro lazaina ho famindram-pahefana, sy ny Asabotsy, androm-pianianana. Tsy nanaraka ny "mivantana" fa ny vaovao hariva ihany no nenjehina mba hamantarana izay ambangovangom-baovao fa tsy hiraharaha kosa izay fomba filazan'ny mpanolotra eo. Ny zoma aloha dia gaga ihany nahita ilay lazaina ho famindram-pahefana nefa fanolorana lakile lehibe sy fideraderan-tena nataon'ilay filohan'ny tetezamita sy ny fanndrahindrana avy amin'ireo mpitolona mafana fo nasaina no tena nisongadina. Tsy haiko aloha fa toa niverina indroa izay ilay vaovao tamin'io alin'ny zoma io tamin'ny resaka teny Iavoloha. Fanasongadinana an'i Andry Rajoelina manontolo ilay fotoana, dia hita mihitsy hoe efa nomanina tamin'ny toerany ireo mpaka sary, fa dia tena sarimihetsika vita, mampiseho ny fahaizana serasera amin'ny vahoaka no hita. Teto no nahitana voalohany fa nisy ny famasohana sahady ny filoham-pirenena vaovao. Vita ihany iny ny andro zoma!

Tonga indray ny Asabotsy, tsy araka izay vinavinako (any amin'ny lahatsoratro nivoaka avy tao akaikin'Ambohimahasoa tao) ny fizotran'ity andro ity. Tsy nahasahy nitondra ny olona teny Mahamasina ireo mpitarika ny ankolafy Ravalomanana sy ny kandidà Robinson. Natahotra ny isian'ny gidragidra ve sa hoe sao manao ny ataony ny mpitandro ny filaminana? Amin'ireny fotoana ireny anefa no tsy ho sahy mihoa-pefy ireo mpitandro ny filaminana ireo, satria maro ny manampahefana manatrika eo, ary tsy azo tsinontsinoavina ihany koa ny fanatrehan'ireo olo-manakaja vahiny. Izay koa anefa no tsy nahafeno ny kianjan'i Mahamasina. Fihetsika tsy mampiasa herisetra anefa no natao teny raha tena nahavita nampiseho ny fahaizany mitarika ireo lohandohan'ny ankolafy Ravalomanana. Ny fijeriko manokana noho izay vita izay no ahasahiako milaza fa efa tsy izy intsony ireo mpitarika ny ankolafy Ravalomanana ireo, miady ho amin'ny tombontsoany amin'ny fitadiavana seza  fa tsy mahay mitarika na mandresy lahatra ny olony. Tsy mihaino izay mety ho tolo-kevitra avy amin'ireo olon-tsotra nefa tsy manana paika mahomby sy mahasintona ny tanora izay mety ho nivonona mihitsy ny hanao ilay fihetsiketsehana.

Mifanila amin'izany anefa dia ny mpanohana an'i Andry Rajoelina indray no nanao ilay zavatra nandrasako hataon'ny ankolafy Ravalomanana fa nataony araka izay mahamety ny azy ilay izy. Raha nanoratra aho hoe ny fanoherana ny didim-pitsarana miangatra no asongadina amin'ny alalan'ny sioka sy horaka tsy fankasitrahana, tsy ilaina kosa ny misiotsioka mandritra ny fianianana ataon'ilay filoha vaovao dia hafa kosa no fomba nitondran'ny mpanohana an'i Andry Rajoelina azy. Araka ny novakiako taty amin'ny tambajotra sosialy, satria anterina fa tsy nanatrika ny tena ary tsy nanaraka mivantana tamin'ny fahitalavitra ihany koa, dia itehafana mafy hatrany ny fisehoan'i Andry Rajoelina mivady na/sy ny Pere Pedro avy ery Andralanitra fa novasohana indray tamin'ny alalan'ny rodorodo fivoahana ny kianja vantany vao vita ilay fianianana ilay filoha vaovao. Tiana nampisehoana tamin'ny alalan'ny sary fa i Andry Rajoelina no tena ankasitrahan'ny mpanatrika fa tsy io rangahy napetraka ho filoha io. Amin'iny lafiny iray iny dia mahery sy mahatarika olona hatrany ny avy amin'ny mpanohana ilay filohan'ny tetezamita ary vereziny hatrany ny ao amin'ny ankolafy Ravalomanana.

Dia nisy ihany koa moa iny toe-javatra mampalahelo tamin'ny fanapoahana grenady iny izay na ny ankolafy Ravalomanana na/sy ny kandidà resy tamin'ny fihodinana faharoa, Jean Louis Robinson, no tiana ampangaina eo imason'ny vahoaka (any amin'ny faritany indrindra indrindra) sy izao tontolo izao ho mpampihorohoro sy tsy miraharaha ain'olona. Ivereno jerena, ho an'izay tsy mahatadidy, fa olona mainty fihodirana no tena tratran'ilay grenady (tetika fampisaraham-bazana sy ho fandresen-dahatra fanampiny fa ny ankolafy Ravalomanana tokoa no mety ho niavian'ilay famonoana olona maro), ary tadidio ilay resaka fa olona fotsy fihodirana (tsy hay intsony na vazaha na tsia!) no atao malaza fa nandefa ilay grenady. Mihabetsaka anefa ireo resy lahatra kokoa fa avy amin'ireo malahelo ny seza ho votsotra no azo sainina kokoa ho niavin'ilay famonoana olona (fa tsy fampihorohoroana araka izay efa nosoratako farany). Vao maika moa nanampy trotraka ny fahitana fa tsy ny ankolafy Ravalomanana sy ny mpifidy azy no hametraka olana amin'i Hery Rajaonarimampianina amin'izao fotoana izao na dia tsy levon'ny vavoniny aza ny fisian'ny hala-bato nahavoafidy ity farany fa ireo nilaza ho nanohana indrindra an'i Hery Rajaonarimampianina ka mitady hibaiko azy amin'izay tokony ataony... sy mitady hanohy hatrany ny gaboraraka tamin'ny tetezamitan'i Andry Rajoelina.

Amin'izao fotoana izao, ny hany nahadiso fanantenana ireo tsy nifidy an'i Hery Rajaonarimampianina tamin'ny fihodinana faharoa, dia izay tsy nahalany fotsiny ilay kandidà nofidiany, fa mamela ilay voafidy malalaka kosa hanao izay vitany ary mijery taratra ny ho fizotry ny raharaha. Mety hoe noho ny tsy fanantenana zavatra loatra ihany koa no mahakely ny fahadisoam-panantenana. Saingy ny fihodin'ny toe-draharaha no mety hampivadika ilay faharesena ho fandresena tampoka satria toa maneritery hafahafa lasa mandray ny toeran'ny mpanohitra sahady ny filohan'ny tetezamita. Raha ny antso fanao amin'ny radio sasantsasany no henoina dia maro sahady no diso fanantenana tamin'ireo nifidy an'i Hery Rajaonarimampianina tamin'ny fihodinana faharoa, sady milaza tena ho mpitolon'ny 2009... satria hoe toa mitady hitsipaka ny filohan'ny tetezamita ity filoha vao voafidy ity. Ny hany azo ambara dia hoe raha be loatra ny fanerena na faneriterena an'io kandidà efa lasa filoham-pirenena io dia safidy roa ihany no azony atao: na manaiky izay baiko rehetra omen'ireo milaza fa nampandany azy ka tsy tsy hanana ny mahaizy azy intsony ilay olona ary lasa saribakoly fotsiny na lasa mitady namana hafa asolo ireto olona tsy manaja ny atao hoe fahafahana sy fahalalahana ireto dia mazava loatra fa izay matanjatanjaka hafa no itodihany kokoa iarahany miasa. Tsy ho mora anefa ny ho vokatr'izay fanapahan-kevitra amin'ny safidy natao izay fa mety hihatra aman'aina mihitsy. Raha sanatria sanatria anefa mitranga izay safidy mihatra aman'aina izay dia efa azo vinavinaina ny niaviany nefa mazava loatra fa mbola ho vondron'olona hafa hatrany no hampangaina ho nanao izany dia mety ho avy ny filazana hoe "tsy mahatanty resy dia mamono olona araka ny fanaony!" Enga anie tsy ho tonga amin'izany...

29 janoary 2014

Iza no mahazo tombontsoa amin'ny baomba mipoaka?

2014-01-25 @ 20:42 in Politika

Tohina ny fo ary tsy misy izay tsy tezitra raha nandre ilay baomba nipoaka ny alin'ny asabotsy 25 janoary 2014 teo amin'ny fiantsonan'ny fiara eo amin'ny tsenan'ny voninkazo, ampitan'ny lapan'ny antenimieran-doholona Anosy. Raha kibaombabaomba natao fihomehezana no nisy tao anatin'ny
tetezamitan-d Rajoelina dia mivadika zavatra hafa ilay izy amin'izao andro voalohany nandraisan'i Hery Rajaonarimampianina ny fahefana maha-filohan'ny Repoblika azy izao.

Olon'ny fo ny Malagasy ary malahelo hatrany amin'ny zavatra mitranga toy ireny. Misy ihany koa anefa ny zavatra manahirana sy mahasosotra ny mihaino azy. Aty Fianarantsoa moa ny tena ary gaga ihany nahita ny Emmoreg nifanaretsaka etsy sy eroa sy mahita ny eny an-toby miantrana amim-basy avokoa. Dia nanontany olona hoe fa misy inona? Namaly moa ilay mpitondra taxi hoe ahiana hanao fanakorontanana hoe ny zanak'i dada amin'ity andro fanokanana filoha vaovao ity. Namaly moa aho tamin'izay fotoana izay hoe sady tsy manana saina sy hery hanao izany ho'aho ny zanak'i dada no tsy avy aminy ihany koa ny hery sy fitaovana hahavitany izany.

Eto aho vao lasan'eritreritra hoe matoa izany natao ny fihetsiketsehana hitamaso hitako taty Fianarantsoa dia efa fanomanan-tsaina ny olo-tsotra sahady hoe raha vao misy fanakorontanana sy famonoan'olona tahaka izao nitranga izao dia ny ankolafy Ravalomanana no nanao izay. Manontany isika ary ankehitriny hoe iza tokoa ary no tompon'antoka ary iza no tena tiana ampihorohoroana?

Eto aho dia mitovy hevitra amin'ilay mpanao gazety Rosiana (tsy tadidiko ny anarany fa lahatsoratra vao nivoaka ao amin'ny global voices teny malagasy ao izany fa finday no anoratako izao) naneho ny heviny mazava tsara hoe tsy fampihorohoroana ny tranga toy izao fa famonoan'olona tsotra izao. Ny fampihorohoroana dia misy fanambarana avy amin'ny vondron'olona iray fa izy no tompon'antoka tamin'ilay toe-javatra ary lazainy manaraka ihany koa ny zavatra takiany avy eo. Eto izany dia tsy fampihorohoroana no mitranga fa famonoan'olona fa raha misy ny tena lasibatra tiana ampihorohoroana dia ny zanak'i dada izay. Efa voahoso-potaka avy hatrany anefa ry zareo noho ilay fahaizana manasa ny lohan'ny vahoaka. Nataon'ny sasany sorona ny ain'olona tsotra nefa tsy ny ankolafy Ravalomanana velively no hahazo tombontsoa amin'izany tranga manafintohina izany.

Raha niverina tamin'ilay mpanao gazety nifamaly tamin'ilay bilaogera Rosiana hardungish ihany aho, dia hoy ranamana hoe sampana na vondron'olona avy amin'ny hery manokana miankina amin'ny fanjakana ihany no tompon'antoka amin'ny tranga toy ireny ho famoretana ara-tsaina ny vahoaka ka milamina sy tsy sahy mihetsiketsika ny olona. Tsy haiko aloha na azo eritreretina ho mitovy amin'ilay mpanao gazety izay ny tranga eto amintsika na tsia fa izaho araka ny efa nosoratako dia resy lahatra tamin'ilay filazan'ilay mpanao gazety.

Olona manahy ho very tombontsoa, sady efa fantatsika rahateo fa vao miova filoha mpitantana isika izao, no mety hahavita sy hahatontosa ny toy izao sady mbola eo aminy soa aman-tsara ny fitaovana hahavitany izany. Raha vantanina ny resaka dia tsindry atao amin'ny filoha vaovao ny tahaka izao satria mitady hieritreritra hiara-miasa amin'olona hafa ranamana ka fampitandremana io. Isika rahateo mahalala fa tsy ho afa-miova ao anatin'ny indray mi-pimaso monja ny mpikambana governemanta sy ireo tale isan-karazany any amin'ny minisitera tsirairay any.

Iza no mahazo tombontsoa amin'izao famonoan'olona izao? Izay no fanontaniana. Ny azo heverina avy hatrany ho voa mafy kosa dia miharihary fa Ravalomanana satria azo sakanana na ahemotra ao anatin'ny fotoana tsy voafetra ny fahafahany mody... raha misy ny korontana. Afa-mitanisa indray isika amin'ny hoe iza avy no mahazo tombontsoa amin'ny tsy fahafahan-dRavalomanana Marc kanefa handany fotoana (sy vatoaratra) ho ahy ny hitanisa azy ireo fa efa samy mahafantatra rahateo isika.

Na izany na tsy izany tsy afa-manendrikendrika na iza na iza isika fa dia mitondra ny fampiononana ny havan'ny maty ary mirary fahasitranana ho an'ireo maratra noho ny asa-ratsin'ireo tsy mataho-tody.

Fianarantsoa, 25 janoary 2014


Andao ho any Mahamasina!

2014-01-23 @ 14:18 in Politika

Mety hahagaga anareo ny zavatra soratako nefa dia izay mihitsy no lazaiko etoana. Heverinareo ho famadihana ve sa fiovan-kevitra izany resako izany? Aza maika ny hitsaratsara fahatany fa miangavy antsika rehetra hamaky hatramin'ny farany izqay soratako etoana.

Amin'izao fotoana izao aho tsy mahalala izay programan'i Jean Louis Robinson na ny movansy Ravalomanana amin'ny lazaina ho fihetsiketsehana lehibe hotontosainy rahampitso fa hevitro manokana ny holazaiko. Hevitra tsy iraisana na amin'iza na iza. Tsy mahafantatra izay any an-tsain-dry zareo aho (vakio ny lahatsoratra bilaogiko omaly) fa raha izaho no mpanapa-kevitra dia izao no nataoko:

Raha amin'ny folo maraina ny fotoam-pianianana ao Mahamasina dia adiny iray sy sasany na adiny iray mialoha no hamoriako izay mpanaraka ahy any amin'ny toerana mahazatra fa hiaraka rodobe ho any Mahamasina avy eo. Tsy hila ady amin'ny vahoaka efa nandeha mivantana nakany sanatria, satria vahoaka ny olona any ary nasaina ho any ny vahoaka tsy ankanavaka, fa haneho amin'ny fomba tsy ampoizina ny maha-vahoaka ahy ihany koa. Tsy hifandrafy na hampiasa herisetra na oviana na oviana saingy manankambara amin'ilay andrim-panjakana nanasa ahy amin'ny maha-anisambahoaka ihany koa. Rehefa maro sy tafaraka ny mpiara-mitolona dia tsy misy tokony hanakana ahy sy ny mpiara-mitolona amiko tsy ho eny. Manaiky soa aman-tsara ny hosavaina sy hanaraka soa aman-tsara ny arofenitra rehetra afa-tsy amin-javatra tokana monja: hihorakoraka sy hisiotsioka tsy mitsahatra aho mandritra ny fotoana hitenenan'ireo Mpitsara rehetra satria ireny no nanao tsinontsinona ny fitarainako sy ny fitakiako, sady tsy nitandro ny fampanjakana ny lalAna sy ny sazy tokony hifandraika amin'izany fa toa maika ny hampandany olona iray monja. Hangina sy tsy hiloa-bava kosa mandritra ny fianianana satria karazany sata amin'ny firenena demokratika kosa iny. Tsy mila tora-bato sy herisetra koa izany nefa hanana ny akony manerana ny firenena sy iraisampirenena kosa. Tsy misy tanjona hanakanana ilay fotoana izany fa fanehoana alahelo ho fampieritreretana fa misu vondron'olona tadiavina tsinontsinoavina kosa.

Tsaroana eto ny 28 marsa 2009 nanenjehana sy nandravan'ny miaramila ny fihetsiketsehana teo Andohan'Analakely sy Ambohijatovo. Tsaroana ihany koa ny herintaona taty aoriana io, mbola nankeo ihany ny zanak'i dada hitondra voninkazo teo saingy nosakanana satria ny an'ny FAT no apetraka eo aloha ka nampisy ny sahotaka teo ihany satria saiky nisy ny nanao sotasota saingy tsy nanaiky lembenana ny zanak'idada tamin'io fotoana io.

Tsaroana eto ihany koa ny 26 janoary 2009 nampanginana tanteraka tamin'ny alalan'ny fandorana ny tvm sy ny mbs ka ny fotoanan'ny 25 janoary indray no hampitana mivantana ho ren'ny firenena ny feom-bahoaka iniana ampanginina ny feony. Fa atao amin'ny fomba milamina izany satria tsy tia sotasota ny zanak'i dada.

Vinavinako samirery io ary tsy manana radio na tele handefasana izany aho fa revirevy fotsiny io. Tsy misy dikany raha efa fotoanan'ny revy vao ho tonga eny satria ilay saimbolika ihany no tena tadiaviko satria ho filoha hatrany tsinona Atoa Hery Rajaonarimampianina. Heveriko ho familiviliana ny fanehoako ilay hevitro kosa ho henon'ny rehetra ny fotoana hafa.

Revirevy fotsiny io fa tsy fantatro izay hataon'ny ankolafy an! Ka faranako ny lahatsoratra hoe : Andao ho any Mahamasina rahampitso fa mihaona eny amin'ny magro aloha ary tsy misy tokony hanafenana ny hankanesana mankeny.

Near Ambohimahasoa RN7,


Ho fitadiavan-tseza ve?

2014-01-22 @ 20:42 in Politika

Antokonam-baravaran'ny fametrahana amin'ny fomba manetriketrika ny ho filoham-pirenena vaovao isika eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Na tsy hita mivandravandra amin'ny fiteny na fihetsika mahery vaika aza dia misy ihany ny fisarahan-kevitra.

Hojerentsika izany toe-javatra izany. Misy ireo mahatsapa fa nisy ny halabato sy ny faneriterena nampiova be dia be izay ho fizotry ny vokatr'ilay fifidianana, ary resy lahatra amin'izany ny tenako.

Misy kosa anefa ireo manitrikitrika fa na dia misy aza izany halabato izany dia tsy nampiova inona loatra izany fa lany amin'ny fomba demokratika ny filoha, nohamafisin'ny fitsarana manokana momba ny fifidianana izany ary efa mankato izany ny iraisampirenena ka tsy misy dikany intsony izay fihetsiketseham-panoherana ilay voka-pifidianana.

Koa raha eo ary izany rehetra izany, manana paikady hahafahana mandiso izany fiheverana ankapobeny izany ve ireo mpitarika milaza fa manohitra izany voka-pifidianana sa seho ivelany fotsiny izany hitadiavan-tseza maromaro kokoa na ambony kokoa (ny toeran'ny filohan'ny mpanohitra)? Tahatahaka ahoana tokoa ilay lazaina ho paika mahomby iandrasana herinandro fotsiny? Samy hahita izany isika rehetra.

Soratra teny ambony bus moa ity ka tohizana @ manaraka raha mbola misy fotoana.


Manangam-pahavalo

2014-01-13 @ 20:26 in Politika

Tsaroako nisy fotoana, na dia efa ela aza izany, nanoratako tamim-bilaogy ny toe-tsain'ny tafika nandritra ny nanaovana ny fanompoam-pirenena ivelan'ny tafika.

Ampahatsiahivina indray fa mety tsy ho tadidinareo intsony ny hoe i Afrika atsimo no firenena raisina hatrany ho fahavalo. Afrika atsimo no firenena ahiana hanafika antsika. Ny zavatra na fanazarantena rehetra natao noho izany dia ho fiandrasana ny fananiham-bohitra ataon'i Afrika Atsimo.

Mety tsy ho ao an-tsain'ny tafika velively noho izany fa mety ho fahavalo akaiky antsika indrindra io Frantsa mihodidina antsika mibodo ny nosikely tokony ho anjara tanintsika io. Raha misy ny firenena mifandrafy tombontsoa amintsika dia i Frantsa.

Karazana revolisiona noho izany ny tamin'ny andron-dRavalomanana Marc raha nametraka fiaraha-miasa ara-tafika tamin'i Afrika Atsimo io filoha io. Tsy maintsy misy ny tsy mahazaka izay fiaraha-miasa izay tao amin'ny tafika tao ary mihevitra hatrany an'i Marc Ravalomanana ho fahavalo. Mandritra izany fotoana izany mbola mitohy ny fiaraha-miasa tamin'ny Tafika Frantsay.

Mety misy ny mahatadidy ny hafalian'ny tao amin'ny tafika tao rehefa nolazaina ampahibemaso fa tazonina ny ambatatongan-drafitra. Midika izany fa nisy finiavana hanova rafitra ihany tao amin'ny tafika tao fa nilefitra ihany ny filoha tamin'ny farany. Lazaina ho mbola nisy tsy nahazaka ihany koa ny nanaovana ny minisitry ny fiarovam-pirenena ho vehivavy ary lazaina ho anisan'ny nahatonga ny fanonganana an-dRavalomanana ihany koa izany. Raha dinihina anefa dia ny fomba nanazaran'ny cooperants miaramila frantsay ny tao amin'ny tafika tao mihitsy no nanolokoloana ny fankahalan'ny miaramila an-dRavalomanana ka tongany hatrany amin'ny fanonganana azy tamin'ny 2009. Ary mbola mitohy izany amin'ny fankahalana ny "Zanak'i dada".

Gaga sy talanjona manko ny tena tamin'ny fanondroana ny zanak'i dada ho nikononkonona "alatsinainy mainty" raha vao nanomboka kely ny taona. Tsy manana olona hahavita ny toy ny tamin'ny 26 janoary 2009 tsy akory ny zanak'i dada ary tsy hahasarika olona hotarihina hanakonana ireo andian'olona nokaramaina hamaky ny tranombarotra sy ny orinasa fotsiny tsy maka na inona na inona fa ny olona vao nangonina tamin'iny andro iny no asaina maka izay zakany.

Fa raha napetraka tamin'ny andron'ny revolisiona sosialista ny fankahalana firenena vahiny tao amin'ny tafika (miaramila sy zandary) dia efa vondron'olona ato amin'ny firenena indray antsoina hoe zanak'i dada no natsangana ho fahavalo hatramin'ny nijoroan'ny tetezamita.

Ahoana no mahatonga izany fankahalana olona ato anatin'ny firenena izany ary mety ho tonga hatraiza ny vokatr'izany fankahalana izany raha mbola mitohy izao kolokolom-pankahalana olona ao anatin'ny tafika izao?

Rehefa tontosa ny fanonganam-panjakana nataon'ny tafika tamin'ny 2009 dia tsy nanana hery hianteherana ny legalista tamin'izany fotoana izany ka niantso ny SADC hiditra an-tsehatra eto Madagasikara. Vao miresaka SADC anefa dia Afrika Atsimo no ao an-tsaina voalohany, ilay firenena efa notondroina tao amin'ny tafika ho fahavalo mpananim-bohitra. Na dia niova aza ny tantara tao Afrika Atsimo ary efa foana ny Apartheid tany dia tsy nanova na inona na inona tamin'ny fomba fijerin'ny Tafika Malagasy izany toe-javatra izany. Koa raha miantso ny idiran'ny SADC ny legalista dia noraisina ho fahavalo anatiny teo anivon'ny tafika ary iny nahariharin'ny lehibem-paritry ny zandary teto Analamanga iny. Mariho anefa fa tsy fiaraha-miasa ara-barotra ihany ny ao amin'ny SADC fa fiaraha-miasa ara-tafika ihany koa.

Nihamafy ny tolona nataon'ny legalista tamin'ny 2009 ary nitadiavana fomba hamotehana azy. Fomba roa no natao dia ilay resaka baomba hanendrikendrehana hatrany izay mpitarika legalista lasa ankolafy Ravalomanana sy ny fanolikolena ireo mpitarika ireo hamily lalana ny tolona... na dia nahomby aza ireo tetika ireo dia mbola betsaka hatrany ny mpankasitraka ilay fitondrana naongana. Na izany na tsy izany efa nasisika tsimoramora ihany ny fampitoviana ny zanak'i dada amin'ny mpampihorohoro.

Mety ho tonga hatraiza indray ity fametrahana ny zanak'i dada ho fahavalo, na mpampihorohoro, na hoe mpanakorontana ity? Tombatombana no apetraka nefa avy amin'ny zavatra hita ihany no hanatsoahana izany ary ny zava-niseho tany Mahajanga tamin'ny nahasahian'ny emmoreg nitifitra tamin'ny bala tena izy ny mpianatra no mari-panondroana hahafantarana izay hataony.

Nahariharin'iny fihetsika iny fa efa vonona ny handripaka ny mpiray tanindrazana aminy ny ao amin'ny tafika ary azo avoaka tsy amin'ahiahy ny voka-pifidianana izay efa malaza fa feno hosoka iny ary efa nahasahiako niteny fa na izaho izao aza zary mahay tsy fidiny ny fomba fangalaram-bato.

Efa vonona ny tafika hampandry fahalemana ny tany sy tsy hitsitsy an'ireo rehetra tsy manaiky ny voka-pifidianana. Efa natsangany ho fahavalo rahateo ireo ka tsy hananany antra rehefa miseho mamaly. Tsarovy anefa fa tsy voatery ho izay eritreretina ihany no hitranga.

Jentilisa 13 janoary 2014

 

Ataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko?

2014-01-04 @ 10:31 in Politika

Izany teny izany no atolotra anareo ho fiarahabana nahatratra ny taona 2014 sy hanolorana ihany koa ny firariantsoa tsy ankanavaka ho anareo rehetra. Teny hafahafa toa tsy mifanaraka amin'ny vanim-potoana ve? "Ataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko?" Mbola teny ao amin'ny baiboly ihany koa, avy amin'ny vavan'ny vehivavy iray, te-hiaro ny mpiray tanindrazana aminy. Hotantaraiko ho anareo ihany anefa ny anton'izany soratra izany.

Nandia fifidianana ho filoham-pirenena fihodinana faharoa sy solombavambahoaka isika tamin'ny volana farany tamin'ny taona 2013 teo. Ankehitriny isika mandingana ny taona 2014. Taona fifampirariantsoa, nefa tsy mety tafandry noho ny toe-draharaha politika eto amin'ny firenena ny tena. Sambatra ianareo izay tsy tratran'ny viriosin'ity politika ity, fa tsy manohintohina ny fanaonareo andavanandro izay mihatra amin'ity firenena ity, ary tsy ataonareo mankarary fo izay zava-mitranga rehetra. Ny anay kosa toy ny ozona fa tsy maintsy manoratra rehefa misy ny manery, tsy ambanana basy sanatria, fa ny ao anaty mihitsy no tsy mahay mamela fa manakana anao hanao zavatra hafa mandrapanoratray sy mandrapampitanay ny eritreritra ao anaty ao. Izay ve ilay hoe tsy mety mandry ny saina?

Efa nanoratra aho fa anjaran'ny ceni-t sy ny ces no manao izay hampilamina ity firenena ity. Tsy hoe sanatria hibaiko azy ka hampandresy izay nofidiana fa mitady kosa ny hanomezana ny mangarahara ho hitan'ny rehetra mba ho eken'ny rehetra ny valim-pifidianana dia hilamina kokoa ity firenena mamintsika rehetra ity. Rehefa mangarahara ny vokatra ary voaisotra avokoa ny hosoka sy ny sandoka rehetra dia inoana ny isian'ny filaminana eto amin'ny firenena. Tsy izany velively anefa no mitranga ka mahatonga ny tena handray penina miaraka amin'ny teny mihalohalo manao hoe "Ataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko?". Tsy milaza zavatra hitranga eo noho eo izany fa milaza zavatra hoavy. Fa hoavy mandrapahoviana anefa?

Naleoko, raha tena mitady filaminana ho an'ny tanindrazantsika tokoa, manaiky hatrany hanao izay handresena lahatra ny rehetra amin'ny alalan'ny porofo mivaingana fa tsy amin'ny alalan'ny teny manidina hoe efa nataonay mangarahara ny famoahana ny vokatra nefa tsy hitan'ny olona akory izany "ezaka" nataonao izany. Efa ananan'ny fomba fitenenana malagasy ny hoe "ny toky [teny] fitaka fa ny atao no hita", noho izany efa zava-niainan'ny Malagasy ny fisian'ny mpamitaka amin'ny alalan'ny teny sy ny mpandrebireby fa ny fanatanterahana amin'ny alalan'ny asa ihany no ankatoavin'ny rehetra.

Naleoko nandany fotoana kely, raha tena mitandro ny marina tokoa, miara-manisa ny vokatra, sy miara-mijery izay tokony narenina fa tsy mihazakazaka amin'ny tsy antony fa hivarina any amin'ny hantsana. Naleoko afa-po tsara amin'ny zavatra takiany amin'ny fampitahana ny vokatra ny andaniny sy ny ankilany dia tsy miteraka adihevitra lava mety hampisavorovoro ny fiaraha-monina intsony ny vokatra navoaka. Saingy tsy izay no lalana nosafidian'ny ceni-t fa maika ny hilaza hamoaka ny vokatra feno izay tsy misy na inona na inona fantatra amin'ny fikajiana azy fa toy ny avoaka petatoko fotsiny. Tsy izay manao izay hampilamina ny rehetra no lalana nodiavin'ny ceni-t fa lasa mahatonga ny ahiahy hoe tsy ny hanatontosa fifidianana marina sy tsy miangatra no nataony fa ny hampandany izay nobaikoana taminy holaniana.

Tsarovy ry ao amin'ny Ceni-t fa vantany navoakanao ny vokatra feno, ary tsy misy intsony ny lalana hiarahan'ny rehetra manisa ny vokatra marina dia mpandray anjara fototra amin'ny fampiadiana ny olona eto amin'ny firenena ianao, mpandray anjara fototra amin'ny fanakorontanana ny firenena ianao. Saingy heverinao ve fa miaraka amin'ny mahery sy ny manam-piadiana ary ny manam-bava ianao dia ho afa-maina fotsiny amin'izao? Tsy zava-mora ny fihazakazahan'ny fampitam-baovao manerantany mampahafantatra ny vokatra feno ka nilazan'ny fampahalalam-baovao frantsay sasantsasany sahady fa efa misy voafidy ho filoha eto amin'ny firenena, ary fanerena sahady ihany koa ny CES izany hanamafy io vokatra mampisalasala ny maro io.

Mampitamberina ny zava-nitranga tany Cote d'Ivoire ity resaka ity. Namoaka vokatra, feno hosoka sy kajikajy diso, ny ceni tao an-toerana. Nesorin'ny Fitsarana misahana ny Lalampanorenana ny faritra rehetra feno hosoka, dia lasa olon-kafa no nandresy. Tsy neken'ny Firaisamonina Iraisampirenena, ary lohalaharana tamin'izany i Frantsa, izany fanesorana ny hosoka rehetra izany, dia nidrikina ry zareo fa ny vokatra avy amin'ny ceni ihany no izy, nefa ny Fitsarana no mampanara-dalàna azy. Izay toe-javatra any an-kafa izay no inian'ny ao amin'ny ceni-t eto Madagasikara hitranga ary ny tompon'andraikitra voalohany ao no tompon'andraikitra feno amin'ny toe-javatra rehetra hitranga.

Raha ny tokony ho izy dia tsy azo atao intsony ny fampitaham-bato rehefa nolazaina ilay vokatra feno fa dia araka  ny fitoriana mipetraka fotsiny sisa ny hanesorana na hanampiana vato hafa, izay tsy dia misy dikany loatra intsony. Ilay lalàna mametraka ny fotoana fitoriana farany mialoha ny ivoahan'ny vokatra feno avy amin'ny mpanangom-bokatra ofisialy ihany koa tsy ahafahana mitory izay mpangala-bato amin'ny sehatra avoavo kokoa sy mahasahana ny firenena manontolo. Mampanjaka ny halabato goavana kokoa, raha izany, ilay lalàna hoe folo andro no fetra farany. Na inona na inona hambaran'ny CES, ary na iza na iza no hotondroiny ho mpandresy, dia efa nampidirin'ny ceni-t tamin'ny krizy vaovao amin'ny endriny hafa kokoa i Madagasikara. Dia faranana amin'ny lohateny manao hoe: "Ataoko ahoana no fijery ny loza hanjò ny fireneko?" (Estera 8:6a)


Jentilisa 4 janoary 2014

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Janoary 2014 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox