Rehefa hanao dia ataovy hatramin'ny farany!

2016-06-26 @ 21:32 in Ankapobeny

Nosembanin-drahona indray ny fiainam-pirenena Malagasy, indrindra fa ny teto an-drenivohitra. Taorian'ny fanafihana fiara tsy mataho-dalana sy fiara fitaterana Bilomalaza tany Beroroha toa tsy mba nandrenesam-peo avy amin'ny mpitondra fanjakana dia nisy nanapoaka zavatra indray tao Mahamasina, tsy fantatra marina ilay napoaka na grenady na baomba namboarin-tanana. Mba noheverina ho mailo fatratra ny mpitandro ny filaminana saingy tratra ihany ny gaboraraka nataony.

Efa natao mahoraka fatratra fa misy mitady hanakorontana ny fetim-pirenena malagasy amin'ity taona ity, efa nandraisana fepetra manokana hitan'ny tena maso mivantana saingy nahoana no mbola nisy ihany iny fipoahana teo Mahamasina iny?

Mba tsy voagadran'ny asa fanao ny tena tamin'ny faran'ity herinandro ity ary nanararaotra nitondra ny ankohonana hilanona kely sy hampifaly azy ireo araka izay tratran'ny tena dia mba nahita ihany ny zavatra tsy mbola fahita teto Antananarivo hatrizay. Hitantara mety ho lavalava ary aho ka araho hatramin'ny farany raha mety.

Avy teny amin'ny tsenambarotra mihaja SMART teny Tanjombato ny Asabotsy 25 jona 2016 tokony ho tamin'ny 4 ora sy sasany hariva no nanapa-kevitra hijery izany Analakely natokana ho an'ny mpandeha an-tongotra izany, niaraka tamin'ny ankizy sy ny zazakely. Rehefa fotoana tahaka izao dia tsy ampoizina ny fihetsiky ny fiara fitaterana ka izay no nandehanana mialoha na dia tsy mbola vita aza ny fampialana voly nataon'ny Okaloo teo amin'io toerana io. Niandry fotoana kely dia tonga ny fiara fitaterana iray izay nilaza mialoha fa hatreo Analakely ihany no andehanany na dia tsy any aza no fitodiany mahazatra. Noraisina satria izay indrindra ny toerana izorana. Mbola vitsy ny olona tao raha niditra izahay fa feno tanteraka izany rehefa afaka fiatoana roa raha be indrindra.

Teny an-dalana dia efa nanahy ihany hoe ho tafahoatra an'Anosy ve? Satria manko raha taona vitsivitsy taloha amin'ny fotoana tahaka izao dia efa tsy azo nidirana fiara intsony izany Anosy sy ny manodidina izany fa te-hijery izany afomanga izany akaiky dia akaiky ny olona. Tsy izaho irery no nieritreritra tahaka izany fa nisy rangahy iray nahateny mihitsy, rehefa afaka ny toby Ratsimandrava ny fiara nandehananay hoe: "Mety ho tafavoaka an'Anosy ve isika amin'izao ora izao?" Tonga moa dia namaly azy ny vadiko hoe aza tenenina mafy izany sao dia ajanony eo Anosy eo ny fiara dia miala eo daholo isika, satria hita fa te-ho any Analakely ny ankamaroan'ireo nandray ny fiara fa vitsy ny niala teo Anosy akaikin'ny Boriborintany fahaefatra hijery Afomanga.

Nanomboka teo no somary efa feno olona ny lalana ary efa nihoatra nankeny an'arabe ny ankamaroany. Tamin'izahay nandalo teo no nahita ny fiaraben'ny Kaominina miloko manga mandrahona ny mpivarotra anaty lalana hanaisotra ny entam-barony. Efa ny ampahatelon'ny lalana tokoa no feno azy ireo tamin'io fotoana io, ary mbola azo nizoran'ny fiara maro ihany ny arabe. Efa tsy taitran'ny afomanga intsony ve ny olona. Marihina kosa fa efa misy dia misy tokoa ireo olona namonjy toerana amin'ny fanatrehana izany afomanga izany fa tsy hahabahana arabe mihitsy ny hamaroany afa-tsy fanahy iniana hanakana mihitsy angaha. Fa teo ihany koa no nahitana ny hamaroan'ny zandary, polisy ary miaramila misatro-mena tamin'ny manodidina ny farihin'Anosy.

Mbola nisy teo am-pilaharana araka ny fanaon'ny miaramila ry zareo tamin'izahay nandalo teo saingy azo notarafina avy hatrany fa raha asaina mifampitantana ry zareo dia hahaodina soa aman-tsara ny farihin'Anosy mihitsy. Efa miatrana ry zareo ary tena tonga amin'ilay fitenenana taloha manao hoe miharihary toy ny tafika andrefan-tanàna. Tsy mbola nahita toy izany aho hatramin'izay nipetrahako teto Antananarivo, mety ho efa nisy tany aloha tany fa izay hitako sy niainako no lazaiko. Na dia tsy tiako loatra aza ny hamaroan-dry zareo teo, tahaka ny hoe ry zareo indray no hijery afomanga fa tsy ny olona loatra, dia mety mba mahazo antoka kosa aho amin'ny isian'ny filaminana sy ny hahahaingana ny valiny raha misy ny mitady hanakorontana. Na dia nitondra fakantsary aza aho dia tsy afaka naka satria mbola nitrotro zaza ary mbola sarotra alaina ny fakan-tsary moa ny fiara mandeha hatrany. Raha hijery afomanga teo akaiky teo aho izany dia nahazo toky soa aman-tsara fa tsy ho lasa lavitra raha misy ny manendaka na mila sotasota... fa tsy nieritreritra mihitsy aho hoe mety hisy ny hanapoaka baomba. Tsy nahita ny toy izany loatra indray anefa aho raha teny Analakely tamin'io fotoana io.

Na tsy teny Anosy sy Analakely aza aho ny alahady 26 jona dia afa-nihevitra ihany fa tsy maintsy henjana ny fisavana tamin'ny fidirana nankao amin'ny kianjan'i Mahamasina ny marainan'ny matso fa tsy mahalala mihitsy kosa aho hoe nisy fisavana kosa ve ny folakandro rehefa vita ny matso? Izay teny ihany no afa-mamaly izany. Tombatombana sisa no heverina hoe efa lasa natao toy ny tao Analakely tsy nahitana mpitandro ny filaminana amim-basy loatra ve ny tao Mahamasina rehefa vita matso sy efa lasa ny olo-manankaja sa mbola nitohy ihany ny fisavana ny hariva nefa dia mbola nisian'ireny fipoahana tao anaty kianja ireny?

Raha hoe eny ny valin'izany fanontaniana izany dia azo heverina fa nisy nanao kitoatoa izany ny fitandroana ny filaminana sy ny ain'ny olona ankoatra ny manampahefana, fa raha tsia kosa dia azo heverina ho tsi-firaharahiana tsotra izao ny ain'ny vahoaka ny tsy fanaovana intsony ny fisavana rehefa natao nahoraka ihany fa hisy ny hanakorontana. Any amin'izay nanatrika ny toe-javatra androany, sy ireo natao hitandro ny filaminana androany 26 jona ny valin'izany fanontaniantsika rehetra izany. Koa dia fanehoana fiaraha-miory amin'ny fianakavian'ny maty sisa no azo lazaina satria heveriko manokana fa fanaovana sorona ny ain'olontsotra ihany ny fanaovana kinanga fitandroana ny filaminana amin'ny lanonana tahaka itony ka nahatonga ny lohatenin'ity lahatsoratra ity manao hoe "Rehefa hanao dia ataovy hatramin'ny farany!" fa aza mieritreritra zavatra hafa azafady.

Jentilisa 26 jona 2016 na 26/06/16

 

Be diplaoma lasa 4mi- ? Ohatra iray amin'ny Malagasy mpiasa!

2016-06-03 @ 21:33 in Ankapobeny

Tohina tanteraka ny tena nahita ity tsanganana iray tao amin'ny Facebook ity. Vehivavy iray efa zokiolona 79 taona, mpampianatra ny asany teo aloha fa tsy nanao Cnaps ny mpampiasa azy tamin'ny sekoly tsy miankina iray. Manana ny diplaoman'ny Bacc ary manana diplaoma oniversitera tamin'ny Lalàna sy ny teny frantsay, araka ny fitantarana, tsy manambady, tsy mananjanaka, tsy misy miahy, tsy misy miraharaha, tsy misakafo rehefa tsy misy vola, tahaka ny tranon'akoho ny tranony nefa ofaina 15.000 ariary. Efa notoriany ny mpampiasa azy fa tsy nahazo rariny izy. Eto Antananarivo renivohitr'i Madagasikara no misy izany toe-javatra izany.

Sao dia heverinao fa tranga maningana eto Madagasikara izany toe-javatra izany? Mahasahy miteny aho fa tsia dia tsia ny valiny. Vokatry ny fanoritana ny fampianarana eto Madagasikara hitodika amin'ny teny vahiny dia lasa tsy mahalala ny harenany voalohany ny Malagasy fa jamban'ny fitodihana any ivelany. Fa raha tafavoaka eto Madagasikara ianao toa "avotra" ihany, fa raha tsy tafavoaka eto kosa dia gejain'ny vahiny sy ny mpiara-misaosy aminy eto an-tanindrazana. Notezaina ho mpiasa isika Malagasy, niniana tsy hahay na hahasahy mihary izay nandalo fianarana, tsy mahagaga raha ireo "tsy tafita" tamin'ny fianarana indray no nahay nihary satria tsy tratran'ny fandemen-tsaina ireny olona ireny.

Eto Madagasikara ve? Efa misy avy hatrany ny sokajin'olona ry zareo ihany no toa mahazo alalana hanao fihariana goavangoavana, dia lovain-janaka aman-jafy ilay fihariana. Ry zareo irery no afa-mindram-bola any amin'ny Banky sy mahasahy manorina. Isika kosa eto ankilan'izany efa nopotehina ny fahasahiana sy ny finiavana ho mpitarika sy mpitari-dalana. Efa malaza ihany koa moa ny hoe isika Malagasy ihany no mifaninana manintona hidina izay mitady hisandratra. Efa ela aho no te-hitabataba hoe tsy rariny izao mahazo ny Malagasy mpiasa izao fa matahotra ny haninkeliny daholo... "mbola kely ny zaza sao tsy misy mpiahy!"... Noadinoina tanteraka ilay hoe izay mahasahy maty no mifono lambamena, fa heverina ho adala ianao raha manao izany fihetsika izany. Tena marina ve ilay hoe taitra ny olona tsy mba taitra ka taitra irery vao mamaky takotra? Fa toa izaho irery no taitra fa ny hafa tsy mety taitra? Sa taitra tsy miteniteny?

Ry Malagasy ô! Raha tsy izao dia rahoviana? Amin'ny fotoana rehetra anie e: mila mijoro amin'izay ho'aho ianao, tohero ny tsy rariny atao aminao, tsy mbola mila herisetra izany fa mila herimpo, tsarovy fa raha itsahiny indray mandeha ianao no tsy miteny dia hohitsahiny hatrany amin'izay satria tsy manana ny lanjany intsony. Tsy misy lehibe tahaka ny vatolampy fa rehefa tsy miteny dia angeren'ny vorona. Aza gaga atsy ho atsy raha misy tantara renao atsy ho atsy.

Jentilisa, androany 3 jona amin'ny 23:30 ora Antananarivo

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2016 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox