Raha miala Rajao dia ahoana ny tohiny?

2018-05-06 @ 02:38 in Politika

Araka ny efa nosoratana teo aloha dia ny "Miala Rajao" no tarigetran'ny eny an-kianja amin'izao fotoana izao. Mpanara-baovao ihany ny tena fa toa tsy hita soritra ny fahavononana hifampiresaka na hifampiraharaha, ka raha misy ny olona te-hanao izany fifampiresahana na fifampiraharahana izany dia tondroina avy hatrany ho mpamadika ny tolona. Nosoratako ihany koa moa talohaloha tao fa hoe namoaka mpianatra ny mpitolona, efa mazavazava kokoa fa teny Nanisana teny hatrany no niaingan'ireo tanora manakorontana sekoly teto Antananarivo, heverina fa noho ny fahakamoana hianatra no tena antony, fa tsy dia nisy idiran'ilay tolona loatra fa ilay tolona fotsiny no natao fialana bala.


Mivantana moa ny teniko ary mbola voatazona indray ny anaran'ity bilaogy ity hoe "Hevitra Mpanohariana", satria efa manohitra kokoa ny zavatra atao eny an-kianja, mety holazaina ihany koa ho "mpamadika ny tolona", fa averiko ilay fomba fitenin-dRamakavelo, Jeneraly misotro ronono sady poeta, izay hoe "tsindrilentam-pahefana", maninona moa aho raha mba mametraka ny hevitro hosaintsainina fa tsy terena hanaraka am-bokony ny baikom-pitolomana? Koa aza tsiny raha mety hanafintohina ny mpamaky ny zavatra soratako fa izay aho, mamoaka ny hevitro dia samy mandini-tena avy eo. 


Nandeha ny sahoan-dresaka fa "nifampiresaka mangingina teny Iavoloha Rajaonarimampianina sy Ravalomanana" ary efa in-droa mihitsy aza izany fihaonana izany. Raha ny fihaino ny kabarin'ny depioten'Antananarivo I avy amin'ny TIM dia mety ho marina ilay sahoan-dresaka, maro no tafintohina, indrindra fa amin'ny mpitolona, fa tsy izany kosa ny mpanoratra fa faly aza, satria efa misy izany ny fifampiresahana na natao mangingina aza, satria na ahoana na ahoana tsy maintsy hiafara amin'ny fifampiresahana ampahibemaso aza izany, raha tiana hilamina ny firenena, fa sanatriavina kosa ve dia ady mitam-piadiana no tadiavina?... Avy amin'ny fandrenesana ny kabary eny an-kianja no azo iheverana fa te-ho mpitari-tolona, andry manokana tsy te-hiankina amin'ny mpitarika azy ny depiote TIM eny, tsy mahasahy milaza mahitsy ny lalan-kizorana sy ny tanjona farany satria tsy tanjona ny fanalana an-drajao fa dingana fotsiny ihany, fa maniry aho mba ho diso ny fijeriko amin'izay fiheverana izay.

Ka fanontaniana ary no apetrako hoe: Raha miala Rajao dia ahoana ny tohiny? Iza no handray ny toerany? Ahoana ny mety ho fiantraikan'izany eo amin'ny fiainam-pirenena, eo amin'ny toe-karena? Sa hiandry ny tafika handray fahefana? Manahy aho fa lasa mandeha an-jambany fotsiny ilay tolona fa mbola mitsapatsapa amin'izay lalan-kalehany, raha tsy hoe efa voapetraky ny hafa tsara ny tetipanorony fa ny sasany kosa zary kofehy manara-panjaitra satria efa natomboka ihany izy ity?


Lasa miverina kely amin'ny tantaran'ny 2009 aho. Raha ny fomba famaky ny tantara tamin'izany fotoana izany dia nanao izay tsy hifanatrehana hifampidinika Ravalomanana, fony mbola teo amin'ny fitondrana. Aty aoriana isika vao nahita fa ny lehiben'ny delegasiona notondroiny ho eny kay efa miara-dia miafina amin'ny mpitolona (ka nandrisika an-dRavalomanana hoe aza tonga aty ianao fa tahaka ny hafahafa aty amin'ny Le Hintsy Ambohimanambola aty), ary ry zareo mpitolona kosa saiky hanao rodobe tsy hanaja ny fetr'isan'izay tokony handray anjara fifampidinihana. Nandeha daholo ny karazam-pitapitaka mialoha na mandritra ny fifampidinihana hanaratsiana ny andaniny na ny ankilany. Amin'izao fotoana izao, izay mihevi-tena ho manana ny hery sy ny vahana tsy manaiky hifampidinika nefa izay no lesoka voalohany ao aminy, sa mahatsiaro kosa izay natao tamin'ny taona 2009?


Manaraka izany indray dia karazany mampihomehy ihany koa ilay hoe alaina any amin'ny toeram-piasany any amin'ny minisitera ny mpiasam-panjakana, noho ny ramatahora. Olondehibe ireo mpiasa ireo ka tsy tokony ho alaina izany fa ry zareo no mamaha ny olany amin'ny fahaizana miara-mientana fa matoa ry zareo tsy mandeha dia tsy manana ilay faharisihana handeha mihitsy, fiheverako samirery izany. Tamin'ny taona 1991, nikatso tanteraka ny asam-panjakana teto Antananarivo, tsy nisy mpiasa intsony na nisy fa tena vitsy ny mpiasa nijanona tamin'ny minisitera, fanaterana minisitra no natao tamin'izany fotoana izany. Tamin'ny taona 2009, fanaterana minisitra an-dalambe no natao tamin'izany, tsy voatery ho betsaka na vitsy ny olona isaky ny minisitera, fa tsy nitovy velively tamin'ny taona 1991 kosa ny fikatsoan'ny asam-panjakana. Taona 2018, fitetezana minisitera tsy manatitra minisitra fa maka mpiasa, nefa hoy aho hoe raha alaina ilay mpiasa dia tokony ho isan'andro no maka azy fa tsy indray mandeha iny ihany. Mivadika tanteraka ny fomba fitolona ary tsy tokony hitovy velively rahateo. 


Koa raha fehezina ny resaka dia izao: marina fa efa nataonareo ny tolona ary efa malalaka ianareo amin'izay atao eny an-kianja saingy mba miangavy ihany ny hanokafam-baravarana isian'ny vahaolana tsy miantraika ratsy loatra amin'ny toe-karena. Sa hifanendry ho minisitra indray ianareo nefa efa nambaran'ny tafika sy ny polisy fa tsy hanaiky toe-javatra tahaka izany velively ry zareo? Torohevitro: ianareo no manondro ny andro sy ny toerana ihaonana sy ny lohahevitra ifampidinihana dia anjaran'ny hafa ny mieritreritra raha te-hanavo-tena amin'ny alalan'ny fanetre-tena ry zareo na mbola ho diso eritreritra ao anatin'ny avonavona ihany. Fitadiavam-bahaolana haingana io fa lasa tolona lavitr'ezaka be izany fitadiavana hanaisotra ny filoha tsy mandalo fombafomba avy amin'ny HCC izany, ary ny HCC rahateo toa tsy teren'ny lalàna hamoaka ny didiny ao anatin'ny fotoana voafetra... Azonareo atao ny mitondra ny kibay (miala Rajao) fa tokony hisy kosa ny karaoty (dinika an-kitsimpo) avy aminareo dia hita ho mahay mitondra ianareo fa tsy ny mpitolona no avezivezy etsy sy eroa ho reraka ambony ihany.  


Dia izao ihany koa, tsy nety mihitsy ny isan'ny depiote nofidiana tamin'ny taona 2013 iny satria nokendrena hahavitsy ny solontenan'ny faritanin'Antananarivo taloha nefa natao hahabe isa ny tany amin'ny faritany... Na raha tsorina dia hoe nokendren'ny MAPAR iny hahabe isa an-dry zareo ary dia betsaka tokoa ry zareo nivoaka avy tao, fa izao kosa lanjalanjao izay tena tokony ho isan'ny depiote hifanaraka kokoa amin'ny isan'ny mponina amin'ny fari-pifidianana misy azy avy. Hevitra tsy maintsy atsipy ireo...

Jadona ihany koa ny terivaimanta tsy manaiky fifampiresahana

2018-05-03 @ 22:49 in Politika

Ny ifotoran'ny lohateny dia ao amin'ny antenimieram-pirenena sy ny antenimieran-doholona. Ny mpanara-baovao no mahalala ny fandaniana ilay lalàna niteraka ny korontana misy eto amin'ny firenena amin'izao fotoana izao, ny lalam-pifidianana izay manana endrika fanilihana kandidà atahorana handresy ny eo amin'ny fitondrana. Izay no niaingan'ny fitokonana ka niova endrika rehefa azo taorian'ny fifanandrinana tamin'ny mpitandro ny filaminana ny kianjan'ny 13 mey tamin'ny 21 avrily 2018; ny kianjan'ny 13 mey no karazana sabatra "Excalibur" tamin'ny tantaran'i Arthur mpanjaka (karazana angano nefa karazany mampiorina ny fanjakana anglisy mijoro hatramin'izao fotoana) nefa dia zary misy eto amin'ny firenentsika. Io "Excalibur" [Ex cal[ce] liber[atus] (« afaka tamin'ny vato ») Malagasy io no nohazavaiko tamin'ny lahatsoratra teo aloha hoe izay mitazona azy no manjary mahazo ny fahefana ara-drariny, izay no zava-nisy hatramin'ny taona 1972 no mankaty, fa ny amin'izao fotoana izao no hohitantsika eo.


Somary mitarazoka kely amin'ilay "Excalibur" aho satria imbetsaka tsy azo io kianjan'ny 13 mey io ka tsy nety nahazo ny fahefana izay te-hiditra nefa tsy tafiditra teo. Ny roa ihany no tantaraiko. Ny voalohany dia ny tolona nataon'ny Monima tamin'ny taona 1980, 1981, 1982 tany ho any. Noho ny sivana sy ny tsy fisian'ny lahatahiry amin'izany no tsy ahatsiarovana ny daty rehefa tsy voasoratra tamin'ny diary ilay izy, mbola kely loatra anefa aho hanaovako izany diary izany fa fantatro kosa ny fisiany noho ny resaka an-takonana any ho any. 


Nikasa ny hiditra teo ny M.O.NI.MA [Madagasikara Otronin'ny Malagasy] fa tsy tafa mihitsy satria tsara aron'ny miaramila ny toerana, nivadika ho fandrobana ihany koa ny zavamisy noho ny mbola fotoana nampatanjaka ny TTS (Tary Tonga Saina), andian-jiolahy nofahanan'ny fanjakana, teo ambany fiahian'ny minisiteran'ny mponina, nanana ny foibeny tao amin'ny toby Pochard, izay lasa tsena amin'izao fotoana (2018). Ny TTS no mpandrava ny tolona sy karazan-tsindry ataon'ny fanjakana amin'izay mitady hanohitra azy, nirahina hanafika ireo orinasa tsy nanaiky hanome vola mpitondra fanjakana tamin'izany fotoana izany, ny takalony dia nanao izay tiany natao ny TTS ary nahavita naka an-keriny ireo zanak'Antananarivo vavy tsara tarehy ka niterahany na novonoiny rehefa tsy mety manaiky azy (lasa andevo ara-pananahana tao amin'ny toby ireo tovovavy ireo mandra-pandravan'ny Kung-Fu ny TTS tamin'ny 4 desambra 1984 raha tsy diso ny taona). Nisy fakan'i Monja Jaona ny radio tao Anosy tamin'izany fotoana izany. Resy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena moa ny M.O.NI.MA izay mpanohitra tao anatin'ny Mandatehezana Miaro ny Tolompiavotana tamin'izany fotoana izany. Krizy be tamin'io taona io fa toa iniana tsy lazaina satria tsy nahaogam-panjakana ny M.O.NI.MA fa tsy hoe miova fitondrana ihany vao krizy politika.


Ny faharoa hotantaraina indray dia ny tamin'ny 28 marsa 2009, nanao rodobe nidina teny ny mpanohana an-dRavalomanana rehefa voaongana teo amin'ny fitondrana folo andro mahery kely talohan'io daty voatondro io. Io no fidinana ofisialy tamin'izany fotoana izany, ravan'ny miaramila ilay izy satria nivoaka tao amin'ny tobin'ny 1/RM1 ny miaramila niaraka tamin'ny basy ka nanapaka teo afovoany ilay filaharambe. Hitantsika ny tohiny fa tsy nety naharesy tosika ny fitondrana tetezamita ny mpanohana an-dRavalomanana sy ny mpanohitra ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila (Capsat) niaraka tamin'i Andry Rajoelina.  


Izay no ela fa hiverina amin'ny zavatra saika hotantaraina aho, marihiko dieny ety am-piandohana fa samy nanao fahadisoana avokoa ireo ankolafy roa nampandany sy nitsipaka ny lalam-pifidianana araka ny fiheverako. Fahadisoan'ny nampandany azy ny amboletra tsy niraharaha ireo fanitsiana notadiavin'ny sasany satria nihevitra ny hoe matanjaka arovan'ny mpitandro ny filaminana ka nitady ny fomba rehetra hampandaniana azy satria hoe izay tapaky ny maro an'isa ihany io. Sady nampisara-kevitra anefa no nampisara-bazana ilay lalam-pifidianana ka nahatonga antsika ho amin'izao toe-draharaha izao. Tsy hoe maro an'isa ianao dia azonao atao daholo ny zava-drehetra. Ny Arema tamin'ny taona 1990-1991 aza mbola misaina lavitra noho ny depioten'ny 2018 raha amin'izay toe-javatra izay. Fa nisy inona tao amin'ny antenimiera tamin'izany taona izany?


Mampahatsiahy antsika ny taona fa nisy ny krizy tamin'izany fotoana ary nahazo ny fifehezana ny kianjan'ny 13 mey ny mpitolon'ny Hery Velona. Nisy ny fivorian'ny tao amin'ny Antenimieram-Pirenena Entim-Bahoaka izay ny A.RE.MA no nanjaka tokana tao. Ho famahana ny fikatsoana satria nitokona tsy nisy nisokatra ny minisitera rehetra teto Antananarivo dia nisy ny depiote nanolo-kevitra ny hamindrana vonjimaika ny renivohitra hiala an'Antananarivo hafindra ho any Toamasina. Nandre izany ny depiote lany teto amin'ny faritanin'Antananarivo izay A.RE.MA ihany no maro an'isa dia tsy niresaka na niady hevitra ny amin'izany fa tonga dia nivoaka fotsiny izao. Ny Depiote Razakaboana lany tamin'ny lisitra A.RE.MA tao Antananarivo Renivohitra no nitarika ny namany hivoaka tsy hiady hevitra amin'izany akory. Nahita izany ireo depioten'ny faritany dimy dia nikoropaka nanao izay hampiverina ireo depiote ireo tamin'ny resaka, niezaka niteny hoe vonjimaika ihany anie ilay famindrana fa tsy nety niverina ireo depioten'ny faritanin'Antananarivo ireo fa namaly hoe lanio ao ny lalànanareo dia hohitantsika eo. Vokany tsy noresahina intsony ilay volavolan-dalana na dia mety ho azon'ny depiote nolaniana tamin'ny 80% na 97% isanjato aza satria tsy nisy tao ny depioten'ny faritanin'Antananarivo hitsipaka azy. Vokany hafa, nampiditra ny faritany mizaka tena Ratsiraka rehefa tafaverina indray teo amin'ny fitondrana tamin'ny taona 1997. Aiza ho aiza amin'izany toe-javatra izany ny depioten'ny H.V.M sy ny mpiara-dia taminy? Nanao amboletra tamin'ny fampandaniana ihany na dia efa nalaza aza ilay volavolan-dalana fa tsy araka ny tokony ho izy mihitsy amin'ny mangarahara.


Etsy ankilan'izany, nanao fahadisoana ihany koa ny ao amin'ny depioten'ny fanovana 2018 (MAPAR-TIM-MMM-Mahaleotena) tsy manaiky ny hifampiresaka fa manao amboletra hamoaka mpiasam-panjakana ary lasa mampiditra ny ankizy tsy ampy taona amin'ny tolona rehefa mandrava ny fampianarana. Lasa nivaona mihitsy moa raha ny hita tany Ambatondrazaka amin'ny hoe hametraka DREN sy Chef CISCO vaovao. Ilay famoahana ny ankizy tsy hianatra no fahotana mahafaty nataon'ny depioten'ny fanovana. Lalan-tokana no tokony atao ary tsy maintsy hiditra amin'izany foana na oviana na oviana dia ny fifampiresahana izany. Tokony nahazo vahana saingy nanary izany tombony izany tsy amin'antony. Tokony hotadidin-dry zareo fa ny kiribibin'i Andry Rajoelina tamin'ny taona 2009 hoe tsy maintsy miala Ravalomanana vao mifampiresaka no saika naharava ny tolona TGV 2009 raha tsy niditra an-tsehatra ny CAPSAT Soanierana. Koa saino ry depioten'ny fanovana izay hanohizanareo ny tolonareo ary tokony hieritreritra manokana ny depiote TIM fa efa miha-tsy fantatry ny maro mpanohana anareo intsony (ary ahiana dia ahiana ny tsy ankatoavan'ny mpanohana TIM anareo intsony na haharava hatreo ny TIM).  

 

 

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox