Taorian'ny fihibohana iray volana...

2020-04-22 @ 01:03 in Ankapobeny

Raha voasoratra fa mitohy fanintelony ny fotoan'ny hamehana ara-pahasalamana, dia saika nisalasala tamin'ilay hevitra tao anatiko tao aho. Hevitra fa tsy hanohy izany fihibohana izany intsony ny filoha. Efa manana izay nokendrena izy. Kanjo moa dia marina ihany ilay hevitro. Kisangisangy zary tenany no nanoratako ilay hoe "Deconfi...ture" tao amin'ny sata Facebook iny ny maraina mialoha ny kabary. Te-hanoratra aho hoe; "Deconfinement" nefa fandrao misy mihevitra hoe nahazo sopapa angaha aho. Tsy nanana sopapa ankoatra ny tsindrimandry aho, raha izay no ilazana azy.

Faly tokoa aho rehefa nandeha tsikelikely ilay kabary (mba nihaino indray aho... na dia tsorina fa tsy mpanaraka ilay fandaharana amin'ny iray folakandro intsony, tsy haiko ny antony fa tsy te-hanaraka fotsiny izao aho). Miresaka momba ilay artemisia annua ny filoha. Eo am-pihainoana aho dia efa mihevitra ao an-tsaiko hoe ka inona intsony moa ny ilàna fihibohana raha efa misy ary ny fanefitra? Tsy maintsy manohy ny fahamehana ny filoha ary mety tsara iny fanohizana iny ho fitandremana amin'ny tohin'ny tantara. Tsy maintsy tsinjovina ny filaminam-bahoaka.

Manaisotra tsikelikely ny fihibohana kosa indray anefa izy satria efa miharihary fa tsy ho zakan'ny olona intsony ny hanohizana izany, ary tsy mahazaka na tsy ho afaka hiantoka ny vahoaka iray manontolo izany ny firenena, indrindra fa hoe mahantra ara-toekarena izy. Mbola miaiky ny filoha (na/sy ny mpanolotsaina azy) amin'ny fomba hametrahana ny fandaminana ihany koa aho amin'ny fahaizany mametrapetraka ny zavatra rehetra. Ary mbola hiaiky amin'ny fahaizany mampiasa ny karatra eo am-pelantanany sy ny fahaizany mitady vola. Voaaisotra ihany koa ny eritreritra hihorakoraka an-dalambe raha hoe tapitra ny fihibohana.

Tsy mbola nahita mihitsy aho hatrizay ka hoe ao anaty kabary ofisialy no manolotra ampaham-pandaharana miresaka ilay artemisia ny filoham-pirenena. Hainy tsara ny resaka fifandraisana sy serasera, mipao-tsatroka amin'izany aho. Fandaharana vazaha (France24) nandeha tamin'ny taona 2017 momba ilay zavamaniry avy any Shina sy ny mitovy karazana aminy avy ao Afrika izany (Artemisia afra). Fandaharana momba ny tazo (malaria) sy ny fanefitra/fitsaboana amin'ny artemisia io fandaharana io fa somary mahavariana hoe nahoana no heverina sahady fa mety hanasitrana ny COvid-19 ilay zavatra (ny alin'ny 21 hifoha 22 avrily no nandeha feno tao amin'ny TVM io fandaharana io)?

Tao anatin'ny kabary ny filoha no nametraka fa hanomboka hiverina an-tsekoly ny ankizy mpianatra manala fanadinana ara-panjakana ka hampisotroana ilay fanafody izay hita, ary avy amin'ny tolokevitry ny filoha rahateo ny nanaovana ny fikarohana, ary nomena ny anarana hoe Covid Organics na CVO. Mbola sanganehana ihany ny ankamaroan'ny olona teo am-pendrenesana sy ny ampitson'io. Fa ny talata vao hita ho nafanavay ny fametrahana fisalasalana. Vao maika manko nampiteraka ahiahy ireo fiteny sasantsasany tao amin'ny kabary, ary tsy mbola hita na tsy mety miseho vatana ireo Manampahaizana Malagasy nahita tokoa ilay fanefitra/fitsaboana. Ny hany fototry ny olana dia ilay fanerena ny mpianatra hisotro ilay "tambavy". Tiana ampidirina ao anatin'ny fandraisana anjara ny IMRA saingy feno fiarovan-tena ny fomba fitenin'ny talen'io Orina Mpanasoa iray io. Dia ao anatin'izay savorovoron-tsaina izay aloha izao ny maro amin'ny mpiserasera fa dia ho hita eo ihany ny tohiny.


Mbola ilaina tokoa ve ilay fihibohana?

2020-04-11 @ 01:24 in Ankapobeny

Fanontaniana ho an'ny rehetra io raha mahita ny zava-mitranga hatramin'ny nanombohan'ny krizy ka hatramin'izao fotoana izao. Fanontaniana mametraka fisalasalana amin'izay tokony atao sy ny tsy tokony atao ary mampanontany ihany koa amin'izay ataon'ny eo amin'ny fitondrana.

Mariho sahady mba tsy handisoana ilay fampieritreretana etoana fa firenena maro no mampihatra ilay fihibohana sady tsy maintsy mihevitra izay hanampiana ny vahoakany hampihatra izany fihibohana izany ho mora kokoa. Tsy maintsy jerena ny sokajin'olona maro an'isa sy ny hatao hanampiana ireo sokajin'olona ireo farafahakeliny fa ny sokajin'olona rehetra no tokony ampiana avokoa. Mariho ihany koa fa mety mifampitohy amin'ireo hevitra efa navoakako bilaogy ihany koa ny soratra etoana.

Tamin'ny lahatsoratra tamin'ny 3 avrily 2020 mitondra ny lohateny hoe "Hanohy fihibohana sa tsia?" aho efa nanoratra ilay hoe fahadisoana voalohany nataon'ny mpitondra nametraka ny toekarena ho ambonin'ny aina, hoy aho tamin'izany, tamin'ny mbola nanomezana fotoana ireo avy any ivelany hiditra eto an-tanindrazana... ary notohizako toy izao: "Niezaka ny nanarina izy avy eo tamin'ny fanakatonana ny tanàna na ny faritra tamin'ny hafa... Dia azo atao ve ny mihevitra fa hiverina mankany amin'ny fahadisoana indray ny mpitondra rehefa nahazo lesona tamin'izay nitranga teo aloha sy raha mijery ny zavamisy manerantany?" Ny nahavariana dia nidirany tokoa ilay fahadisoana namela ny olona "hody any amin'ny misy azy avy" rehefa 82 ny isan'ny olona tratran'ny Covid-19 sady efa nisy ireo olona tsy nivoaka teto Madagasikara no efa tratrany (ity tranga ity no tena mampidi-doza kokoa satria efa tsy tambo ho fantatra intsony ireo olona hafa efa namindràny).

Lazaina fa mijery ny mahaolona izy tamin'izany fotoana izany fa be ireo tafahitsoka tao an-drenivohitra na tany amin'ny faritra hafa. Maro ireo nangataka mba tsy hotanterahana izany fampodiana izany saingy tsy noraharahiana izany fiangaviana izany. Nisinisy amin'izay ary ireo faritra nanapa-kevitra hiaro ny faritra misy azy izay tsy mbola nidiran'ity Covid-19 ity. Fepetra nokasaina hanokana-monina ao anatin'ny fotoana voafaritra ireo olona rehetra hiditra ao amin'ny faritra, saingy nodidian'ny taty amin'ny foibe fa tsy azo atao izany. Didy niteraka alahelo tamin'ireo nihevitra ny hiaro ny faritra sy ny mponina ao aminy. Tonga amin'izay ny fanontaniana hoe tena iniana aely mihitsy ve izany ilay aretina sa inona no tanjona amin'izany?

Ny tena sampona tamin'ilay zavatra dia ny fomba nanatanterahana izany fampodiana izany izay voafaritra ho telo andro. Nitakiana hameno taratasy fangatahana ireo olona. Tsy nampoizin-dry zareo anefa ny firohotan'ireo olona an-jatony, mety ho amana arivony akory aza, namonjy ireny toeram-piantsonana ireny. Difotra tanteraka ry zareo mpikarakara hany ka naverina tamin'ny fomba teo aloha ihany ny fakana ny mombamomba ireo mpandeha. Namory olona maro dia maro indray ry zareo tamin'io fotoana io. Ny sarandalana lafo dia lafo nefa tsy nampitoviana tamin'ireo mandeha voromby ny fepetra amin'ny fitiliana feno ireo mpandeha. Fitsapana hafanana ihany no natao tamin'ireo handeha fiara, ary ireo mikohaka dia najanona avy hatrany na nasaina tamin'ny toerana iray efa miandry azy ireo. Eo amin'ny politika anefa ny toe-javatra rehetra tsy misy izany kisendrasendra izany, ary tsy mikaonty ihany koa ny hoe tsi-fahaiza-mitantana fa fomba fitadiavam-bola no tena ao ambadika.

Efa nanoratra aho tao amin'ny lahatsoratra talohan'ity eto ity fa miova ny fomba fijery rehefa nandre ny fanazavan'ny FTA Marc Ravalomanana tao amin'ny Real TV, izay niharan'ny fisomparana moa taorian'io resadresaka io. Efa ao an-tsaina ny hoe hay azo atao tsara ny mitsinjara ny fanampiana ho an'ny rehetra ao amin'ny faritra rehetra (Analamanga sy Toamasina I sy II izany niampy an'i Fianarantsoa moa amin'izao fotoana izao) tratran'ny fihibohana noho ireo volabe avy any ivelany. Tsy nahita avaly tamin'izay nolazain'ny FTA ny tao amin'ny fitondrana, na tsy mbola nandre izany valiny aho aloha. Ny FTA Ratsiraka Didier Ignace ihany no hita nampitenenina hamaly ankolaka sady nanokana ny karama fandrainy amin'ny maha-FTA azy ho an'ireo sokajin'ny mpitandro ny filaminana sy mpitsabo miady amin'ity areti-mandringana ity. Ny setriny taty aoriana dia izay nataony indray ka tsy inona fa io famelana olona hiely any amin'ny faritra maro (raha tsy izy rehetra) eto Madagasikara io. Tahaka ny hoe sanatria atao izay hampisy viriosy an'i Madagasikara iray manontolo.

Dia avy koa ny zavatra iray izay nampalaza vetivety an'i Madagasikara indray. Tao amin'ny dinidinika iray ny Filoha Rajoelina no nilaza ny amin'ny hananganana ozinina hamokatra fanafody enti-miady amin'ity areti-mandringana ity. Toy ny mametraka tsy ankiteniteny ny hoe efa hita anie izany ny fanafodiny ka inona intsony ny mbola ihibohana fa vokarina betsaka ny fanafody itsaboana izay rehetra marary. Nefa taorian'io filazana io toa nikatso tampoka ny isan'ny sitrana tamin'ilay aretina. Io fampanantenana io sy ny famerimberenana hatrany fa voafehy ny aretina no mahatonga ny olona ho feno fiheverana fa toa efa tsy misy intsony ny antony ihibohana.

Mandritra izany fotoana izany koa ireo mpitondra sasany, mivoaka an-dalambe mizara arovava amin'ireo tsy manatontosa ny fihibohana - mbola ilay politikan'ny "spectacle" hatrany - nefa tsy hitan'ireo izay manao ny fihibohana. Mbola mampametraka ihany koa fa tsy maninona ny mivoaka ny trano rehefa manao ilay arovava sy orona. Politikan'ny mba ho hita hoe mizara ve? Ilay fizarana entana eny amin'ny tsenamora moa mbola mitohy soa aman-tsara ihany ary mahavory olona maro mifanety tokoa. Ireny fihetsika ireno no mahatonga ny maro ho tsy resy lahatra amin'ny tokony hanatanterahana ny fihibohana, izay tokony hotohizan'izay manao izany, rehefa mbola mifanohitra amin'izay tenenin'ny mpitondra hatrany no ataony. Tamin'ny fotoana nanoratana dia efa mihoatra ny zato ankehitriny ny isan'ny olona ofisialy tratran'ny Covid-19.

Zarao ho an'izay rehetra mihiboka ny vola tohan'ny fihibohana

2020-04-08 @ 14:25 in Ankapobeny

Manomboka izao dia lasa mipetraka amin'ny fanazavana ny mialoha sy ny aorian'ny antsafa nifanaovan'ny mpanora-gazetin'ny Real TV tamin'Atoa Ravalomanana Marc FTA tamin'ny 6 avrily 2020. Talohan'ny antsafa aho, raha nahatsikaritra ianareo mpamaky, tsy nanasa mihitsy ary tsy niangavy ny olona hanaraka ny fihibohana, fa tsy nanakana mihitsy ihany koa ny olona tsy hanao fihibohana. 


Tsy niteny mihitsy aho fa manao fihibohana izahay mianakavy kely ato an-trano, ary izaho irery ihany no miantsena any Sabotsy rehefa tsy maintsy atao izany. Indray alahady (tsy misy fiangonana tsinona!) aho no niakatra maraimbe hatrany Andravoahangy nividy legioma, dia izay ihany no niakarako tany Antananarivo. Rehefa tonga aty an-trano aho manao ny fomba fitandremana rehetra fantatra mba tsy hamindra amin'ny vady aman-janako sanatria. 


Talohan'ny antsafa aho nitaky hatrany ny ijerena ireo hafa toa tsy mety hitan'ny mpitondra fanjakana, ireo mpiahy tena, ary malahelo fa toa tsy raharahiana mihitsy ny mpiasan'ny tsy miankina voatery manaraka ny sitrapon'ny lehibeny. Azoko tsara fa tsy te-hiditra amin'ny fandoavana ny karaman'ny mpiasa tsy miankina ny fanjakana matoa manao izany, saingy mbola lasa ambanin-javatra hatrany ny ain'olombelona amin'ny sehatra tsy miankina ka mbola tanako ho fahadisoana hatrany izany. 


Tsy ankasitrahako velively ihany koa ny fanomezana "spectacle" lasa misy tanjona roa, voalohany handresen-dahatra ny olona ato anatiny hoe tena manao zavatra ilay fanjakana ka tena tia ny vahoakany sy tsy mitandro hasasarana ny amin'izany, dia eo ihany koa ilay hoe toa zary toerana natao hakana ilay aretina "coronavirus" ihany koa ireny toerana ireny noho ny famoriana olona. Faharoa indray handresen-dahatra ny any ivelany fa tena ampiasaina araka ny tokony ho izy tokoa ireo fanampiana-fampanjanaham-bola avy amin-dry zareo.


Fa eto amin'ny aorian'ny antsafa isika amin'izao fotoana izao. Azo lazaina hoe nampihiratra ny maso ihany ilay antsafa ka ahasahiana mitaky zavatra hafa noho ny teo aloha. Ahoana tokoa moa ny amin'ireo fampindramam-bola tsy hay isaina intsony raha amin'ny vola malagasy? Dia ohatrinona tokoa moa izany izao ny vola natokana hiatrehana ny krizy nateraky ny Covid-19 izao eto Madagasikara?


Raha tsy mbola nitondra firenena ilay olona nanontanian'ny mpanora-gazety dia mety azo sainina ny hoe tsy hainao ny hakelin'ity volabe kirakiraina ity ka tsy hahasahana ny vahoaka manontolo (izay tratran'ny fihibohana) na oviana na oviana. Fa efa nitondra ny firenena ilay olona sady mahasahy miteny fa mahay mitantam-bola ka dia tsy mahita avaly loatra amin'izay ikirakirana ny vola ka ny hany tsikera dia hoe "maso mahita vola ny an-drangahy ity"! Saingy izao, tsy nitaky ny hiarahana mitantana ny vola ilay rangahy fa mitaky ny mangarahara amin'ny ampiasana ny vola. Asa rahoviana no hanao izany tamberin'andraikitra izany ny mpitondra satria lasa miara-manontany aminy ihany koa ny hafa.


Raha heverina izany dia mahasahana ny olon-drehetra ihany ilay vola nomena-nindramina avy any ivelany, afaka miditra amin'ny "chômage technique" ireo orinasa tsy miankina fa afa-mandray fanampiana ihany koa ireo mpiasa ireo, raha ny tena ara-drariny. Amin'izay fotoana izay dia tsy misy ny fiangarana hoe ry zareo ary na ry zareo atsy ihany no mahazo fa tsy ny olon-drehetra. Saingy fantatra fa tsy hahavita izany ny ao amin'ny fitondrana fa izay raisin'ny mpikamban'ny LOHARANO lisitra ihany no omena. Tsy hahavita satria tsy ampy olo-marina hizara ara-drariny ireny fanampiana izay mbola averina ireny... satria trosa no hakana azy... ry zareo.


Mitady hanao ilay "spectacle" ny sasantsasany saingy tonga dia mahalikiliky ny hafa satria maneho avy hatrany ny fiangarana atao sy/na fomba hanodinam-bola ihany koa sanatrian'izany satria kapain-tsy hita fery iny. Koa azo heverina noho izany eo amin'ny sehatra sosialy fa rehefa hizara dia zarao ny rehetra fa tsy ny sasantsasany ihany fa efa betsaka io vola io.  Tsy niresaka ny fikarakarana ny marary aho eto aloha...

Sao dia ilaina ny hampandoavana volabe ireo mararin'ny Covid-19?

2020-04-07 @ 11:52 in Ankapobeny

Samy mahalala isika rehetra fa sahirana ny sarambabembahoaka. Maro ireo mitady ny haniny isan'andro, misy ireo efa tra-pahasahiranana lalina. Fa etsy ankilany ihany koa dia mahakivy ny toe-javamisy fahabetsahan'ny olona mifamezivezy sy mifamoivoiy manerana an'Antananarivo sy ny manodidina. Toa heverina ho adala ireo mba manaraka torohevitra hihibohana? Tsy voafehy intsony ilay vahoaka. Ahoana ny hamehezana ireo vahoaka tsy tan-dalàna manao izay tiany atao ireo? Dia avy amin'izay no mahatonga ity hevitro manaraka ity fa aza sainina zavatra hafa fa handiso zavatra maro! Satria koa manko efa nilaza mialoha ny fanjakana hoe raisin'ny fanjakana an-tanana iray manontolo ny fitsaboana dia lasa tsy miraharaha ny olona fa efa vonona ny hikarakara azy izany ny fanjakana raha marary izy, ataoko fa fahadisoana iray nataon'ny fanjakana ihany koa iny, raha jerena amin'ny toe-java-misy ankehitriny.

Hevitro manokana ny mba hitenenan'ny Filoha hoe "HEVERINA AMIN'IZAY NY HAMPANDOAVANA VOLABE AMIN'NY FITSABOANA COVID-19". TSy maintsy hitabataba amin'izay Ra-Malagasy Be-loha hoe ny fahasahiranana aza efa tsy anerany koa mbola ampandoavina volabe koa ny vahoaka? Maninona raha tonga dia vonoina fotsiny izao? Dia hovaliana amin'izay hoe tsy nanao masiaka mihitsy aho fa mba nandefitra amin'ny hoe mba misy ny mitady fivelomana fa tsy ho andeferana kosa ny fihetsika mihaika ny fandaminana napetraky ny fanjakana.

Raha tapabolana no mikotrika ny aretina dia raisina hoe manomboka amin'ny 14 avrily 2020 ho avy izao dia toy izao manaraka izao ny saram-pandoavana fitsaboana ny Covid-19:

1- Sazy aloa mialoha: 100.000 ariary noho ny tsy fitandremana
2- Sazy aloa mialoha hafa: 200.000 ariary noho ny mety ho efa namindrana tamin'olon-kafa sahady sy/na fandikana ny fepetra napetraky ny fanjakana tsy hivoaka ny trano.
3- 100.000 ariary tambin-karaman'ny mpitsabo miampy 50.000 ariary isaky ny mpanampy-mpitsabo mikarakara izay miisa roa farahafahakeliny
3- hofan'ny toeram-pandriana aloa isan'andro: 10.000 ariary, maninona moa no hoe toeram-pandriana? ho avy manko ny fotoana fa tsy ho ampy intsony io fandrianan'ny hopitaly io, ka afaka mitondra ny fandrianany ny marary fa tsy maintsy mandoa ny vola isan'andro ihany na izany aza.
5- manginy fotsiny tsy voatonona eto ny fanafody izay vidian'ny marary ihany koa. Azon'ny fanjakana koa anefa ny mametraka hoe ny fanafody ihany no iantohan'ny fanjakana satria efa nolazainy fa horaisina an-tanana. Ny marary kosa indray anefa no miantoka ny sakafo haniny isan'andro, fa raha avela ho ny hopitaly no manome sakafo dia 20.000 ariary isan'andro izany.

Raha mpiasan'ny tsy miankina mampiasa olona mandritra ny fihibohana kosa ilay tratran'ny Coronavirus dia ny orinasa no miantoka ilay marary ary mampitombo dimy amin'ireo voatonona etsy ambony no aloan'ny orinasa amin'ireo rehetra ireo.

Fa ny mpiasan'ny fahasalamana sy ireo mpanolotena mizara fanampiana ary ny mpitandro ny filaminana irery ihany sisa no iantohan'ny fanjakana manontolo ny fitsaboana. Tsy tafiditra amin'ny fiantohana kosa ny fianakavian'ireo voatonona farany ireo mba hifehezana hatrany ny fitandremana tsy hamindra amin'olon-kafa.

Mariho hatrany fa noho ny ditran'ny olona no mahatonga ity sosokevitro ity fa tsy fitiavana te-hahafaty olona. Amin'izay fotoana izay dia mba ho aretin-kenatra tsy miraharaha lalànam-panjakana hihiboka ity areti-mandringana iray ity. Afaka maka tahaka ihany koa ny firenena Afrikana hafa.

Tsingerintaonan'ny Raiko androany

2020-04-06 @ 20:38 in Ankapobeny

Tsingerintaonan'ny Raiko, niantso azy aho, niarahaba azy tamin'ny "Joyeux anniversaire", tahaka ny tsy mandre izy: "Ahoana tsara?". Tany amin'ny fanintelony nanao izany izy vao niarahaba azy tamin'ny teny malagasy... na niara-niteny tamin'ny teny malagasy izahay hoe "arahaba nahatratra ny tsingerintaona".

Mety ho tsy dia misy dikany aminao mpamaky izany raha tsy itantarako ianao. Taona 1981, nanomboka notereny hianatra taranja frantsay amin'izay aho rehefa nanomboka nianatra tamin'ny SAFF (Sekoly Ambaratonga Faharoa Fototra). Sekolim-panjakana tamin'izany fotoana izany. Tamin'ny ambaratonga fototra aho nianatra tamin'ny sekoly tsy miankina mirona amin'ny fivavahana kristiana protestanta. Boky taranja frantsay ho an'ny taona fahafito no nampianarina ahy.

Tamin'izany fotoana izany, tapakandro ihany no mankany an-tsekoly ny mpianatra miankina amin'ny fanjakana. Teny frantsay henjana dia henjana ho ahy no nampianarina tamin'izany. Nivadika tampoka na hoe sarotra tampoka ho ahy izany. Saiky hanohitra aho hoe tsy ampianarina anay any am-pianarana ny zavatra ampianarina anay, saingy tamin'izany nasiaka izy. Efa nihevitra sahady izy fa ho taranaka atao sorona izahay amin'ny fampianarana teny malagasy ranoiray. Tsy hisy handray mpiasa tsy mahay teny frantsay izany, hoy izy... Tsy mba tao anaty fiheverana izany hoe mba mety hanangana asa na hahaleo tena fa dia efa ampidirina an-doha sahady fa ho mpiasa. Ranomaso tsy ranomaso ny ahy tamin'izany satria sady miambin-trano, tsy mivoaka ny trano, no mianatra. Nitohy hatramin'ny taona faha-8 izany fianarana taranja frantsay fotsiny izany rehefa ao an-trano. Nampidirina tao amin'ny CCAC ihany koa aho mba hamaky boky teny frantsay betsaka.

Nisy vokany ihany izany rehefa afaka fanadinana BEPC tamin'izany (tsy tadidiko intsony ny fanoratra ilay CFEPCES) ka nianatra tao amin'ny Lycée Ampefiloha. Teny frantsay ranoiray sahady ny fampianarana ankoatra ny taranja malagasy. Gaga ny mpianatry ny St Michel fa mba mitovy haavom-pahaizana tamin-dry zareo ihany aho raha teny frantsay. Hatreo ihany aloha ny holazaiko... Fa tena tsara raha ampianarina any an-trano ihany ny ankizy indrindra amin'izao fihibohana izao.

PS: Nanomboka tamin'izaho tanora ihany koa no nanomboka nivoady tao anatiko tao aho fa hitozo mafy amin'ny fianarana teny malagasy, handala araka izay azo atao izany taranja izany... ary rehefa afaka BACC dia niditra indray tamin'ny fianarana teny anglisy ho fihaikana ilay taranja frantsay ihany... izay indro entiko mandraka androany io.

Ilay sary-sy-soratra nampigadra mpanora-gazety teto Madagasikara?

2020-04-05 @ 17:35 in Ankapobeny

Lohahevitra iray mampiady hevitra indray ny nampigadra mpanora-gazety iray eto Madagasikara tamin'ny faran'ity herinandro ity. Io ny sary hitantsika anton'ny fiampangana dia anjaran'ny tsirairay ny mieritreritra avy eo:


Izao no tsikaritra ary maha-hafa ny sary-sy-soratra (memes hoy ny teny vahiny iraisampirenena). Ambonin'ny "meme" ny lohateny amin'ilay gazety ahitana soratra hoe "confinement" izay baikon'ny fitondram-panjakana. Ambanin'ilay "meme" kosa ireo sary maro dia maro amorian'ny ao amin'ny fitondram-panjakana olona ao anatin'ny "confinement" sy ny tsy fahazoana mivorivory.

Nahoana ianao no mamory olona lazaina ho mizara sakafo sy fanampiana ny olona? Ary nahoana no tsy ahitana mpitandro ny filaminana mampanaja farafaharatsiny ny elanelana amin'ireo vory vahoaka ireo? Tsy misy arombava ireo! Toa kendrena noho izany ny hamindrana haingana dia haingana ny aretina? Tsy natsahatra ilay fizarana sakafo "spectacle" (na andeha atao hoe tsy azo alaina sary ho porofo) raha tsy notenenina hoe zarina hivory eo amin'ny kianjan'ny 13 mey ve izany olona izany?

Ka inona no ilazàna ny olona manao izay hiparitahan'ny aretina amin'ny alalan'ny Vonjy Aina tarihan'ny Ben'ny Tanànan'Antananarivo sy ireo Tsenamora any anaty tanàna sy fokontany isankarazany, tsy manaja elanelana any?


Fa moa tsy mahatohina tokoa raha ilay lohateny fotsiny  no jerena fa ahoana kosa ny fandehany raha miaraka amin'ny sary eo ambaniny araham-panazavana? 

Ny fotoana tahaka izao no tena mety amiko

2020-04-05 @ 00:06 in Ankapobeny

Ny fotoana tahaka izao no tena mety amiko. Voaangoko eto ampelatanako avokoa ny fahefana rehetra ahafahako mitazona azy. Afa-mampangina izay mitady hanohintohina ahy aho. Ataoko izay hamafana amin'ny fomba rehetra fa toa tsy ara-drariny ny naha-voafidy ahy. Raha esorina ireo "ambiroa" izay maro dia maro dia mihoatra noho ny elanelambato azoko manoloana ny mpifaninana amiko izany. Soa fa nisy izao toe-draharaha izao ahafahako mifehy tsara ny zavamisy.

Izaho rahateo manampahaizana manokana amin'ny fomba fampitan-kafatra ary efa nofiko hatry ny fahakely ny hitovy amin'ireny Kaisaran'i Roma fahiny ireny. Moa va tsy fahefana tsi-refesi-mandidy no ananan'i Kaisara? Ny hany olana fotsiny amin'ireny tantara ireny dia toa miasa dia miasa ny fifanampoizinana. Mila olona mahatoky ahy aho noho izany ho eo akaikiko mandrakariva, tsy maninona izay toetra ratsiny manoloana ny fiaraha-monina fa tombony lehibe ho ahy ny fananana azy tsy hivadika amiko na oviana na oviana rehefa omena kely sady mampidi-doza koa raha ahiliko tsy ho akaiky ahy.

Ny fotoana tahaka izao no tena mety amiko. Mody ampanantsoiko daholo ry ranona mbamin-dry ranona fa efa mazava ny kinendriko. Azo ve ilay vola any amin'ny mpampanjana-bola? Tsy maninona na vola hosamborina aza fa angaha moa izao no hamerina azy amin-dry zareo? Ny fihetsiketsehana tsy maintsy atao, sady haiko na ny mandihy na ny mihira... rehefa azo ny vola dia basy. Aiza no tsy hanome ahy ao anatin'izao sahotaka manerantany izao e? Zavatra efa niomanako ve tsy ho voafehiko? Tsy ilay voafehy araka ny eritreritry ny hafa fa voafehiko araka ny hamaritako azy. Dia hitolagaga ny maro, na dia ireo mpanohitra ahy aza, ka hifidy ahy indray amin'ny fifidianana manaraka...

Kanjo tapaka tampoka ilay redirediko te-ho filoha, eo am-piandrasana ny fepetra raisina ao anatin'izao fielezan'ny valan'aretina Covid-19 izao.
    

Hanohy fihibohana sa tsia?

2020-04-03 @ 22:28 in Ankapobeny

Miandry ny andro ivalian'izany fanontaniana izany avokoa ny maro eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Toa lazaina ho saro-baliana ilay fanontaniana, saingy mora io rehefa mijery izay laharam-pahamehana sy heverina ho manan-danja kokoa ny olona manapa-kevitra ny amin'izany. Inona ary ny fanontaniana ambony indrindra iankinan'ny fanapahan-kevitra hanohizana na hampitsaharana ny fihibohana? Mety ho samy manana isika fa raha ny amiko manokana dia hoe iza no ambony ny aina sa ny toekarena? Ny aim-bahoaka sa ny hanim-bahoaka? [maty rahampitso sa maty raha afaka ampitso?]

Raha ny tokony ho izy dia tokana ny safidy amin'izany: na manao ahoana na manao ahoana dia tsy misy ambony noho ny aina. Ka ahoana no atao hitandroana ilay aina? Ary ahoana ihany koa ny mety ho fiantraikan'izay fanapahan-kevitra horaisina avy eo? Inona izany ny fepetra tokony horaisina miaraka amin'izay fanapahan-kevitra tapaka? Ireo no tokony hovaliana na mety ho tsy valiako eto am-panoratana aza.

Fahadisoana voalohany nataon'ny mpitondra tamin'ity raharaha Covid-19 ity ny nametrahany ny toekarena ambonin'ny aina raha niangaviana hoe hidio ny sisitany amin'ny fanakatonana ny sidina avy sy mankany Eoropa (sy ivelany iray manontolo). Niezaka ny nanarina izy avy eo tamin'ny fanakatonana ny tanàna na ny faritra tamin'ny hafa... Dia azo atao ve ny mihevitra fa hiverina mankany amin'ny fahadisoana indray ny mpitondra rehefa nahazo lesona tamin'izay nitranga teo aloha sy raha mijery ny zavamisy manerantany?

Inona moa no azo heverina hitranga avy hatrany raha lazaina hoe tapitra hatreo ny "confinement"? Efa nisy ny nanao teny tsipalotra hoe efa nandresy isika izany, efa voafehy izany ilay izy ka dia andao hiara-mirona hivoaka ny arabe, hihorakoraka sy hifampiarahaba, ary tsy hihaino intsony izay fepetra tokony mbola ho arahana. Izany hoe eo amin'ny fotoana tokony hitandreman'ny besinimaro indrindra no hovahana tampoka ny varavarana... fa dia fahafatesana mikararana no hitranga eto Madagasikara.

Inona indray no azo heverina hitranga raha lazaina hoe mbola mitohy ny fihibohana? Hanohy amin'ny fivoahana ihany izay efa mivoaka, fa mbola hitandrina kosa ny besinimaro izay tsy hitantsika sy tsy henontsika na dia ho olana ho azy ireo aza ny sakafo hohanina. Mety hisy ny fanoherana ilay fanapahan-kevitra ary tsy fantatra izay ho fiantraikan'izany... ary eto no tena ilaina ireo olona efa notakiako hifampiresahan'ny Filoham-pirenena saingy tsy noraharahiany mihitsy mandraka androany. Tsy maninona fa izy no tompon'ny fanapahan-kevitra farany amin'iny.

Koa na dia amin'ireo nosoratako ireo fotsiny aza dia aiza ho aiza no mety kokoa sy mahasoa kokoa ny vahoaka malagasy? Tsy ijerena resa-pianakaviana izany fa fanapahan-kevitra politika rehefa ny filoha no naka ny toerana hitarika amin'ny ady amin'ny coronavirus ity! Fa raha mbola tsy mety ho azonao ihany izay tian'ny mpanoratra holazaina dia hoy aho hoe "Aza misioka raha tsy tafavoaka ny ala" ary mbola vao eto ampanombohan'ny fiitarana isika izao ka aleo tohizana izay efa natomboka fa ny fepetra entina hanampiana ny olona no jereo, na ny marina kokoa dia hoe ireo olona azo atokisana hizara tsy miangatra no tadiavo. Tsy adala akory ireo lazaina ho mpanohitra raha efa mahasahy miteny sahady hoe tokony ho amin'ny faran'ny volana avrily no haingana indrindra vao vahàna ny tady mamatotra ny varavarambe tsy hisokatra. Koa ambava homana, am-po mieritra fa efa lava dia lava sahady ny lahatsoratra!

Vahaolana politika amin'ny olana ara-pahasalamana

2020-04-02 @ 22:29 in Ankapobeny

Nosoratana tao amin'ny Facebook, tamin'ny voalohany avrily efa alina...

Filoha be fihetsiketsehana, Efa fahita iny.
Fa tsy maintsy misy vahaolana politika ity na tianao na tsy tianao.
Efa hifarana ny fotoana fihibohana tapabolana ary efa miandry ny tohiny ny olona, hotohizana ve sa tsia ilay fihibohana?
Na hitohy io fihibohana io na tsia, izay fanapahan-kevitra horaisin'ny Filoha dia hanakianana azy avokoa, ary hiandrasana azy an-kodimirana araka ny fiteny mahazatra.
Ka inona ny vahaolana amin'izany? Ahoana ny hampihenana ny fiantraikany ratsy eo amin'ny tontolo sosialy sy politika eto Madagasikara?
Zavatra iray, iangaviana mba tsy hitetateta hihevitra fa hahavita irery amin'ny ady amin'io Covid-19 io, heverina ho dokambarotra politika hatrany izay fihetsika rehetra fakana fon'ny olona, heverina ho fanararaotana ny zavamisy eto Madagasikara.
Ny fihetsika mahomby indrindra sy mety hampiara-mientana ny vahoaka iray manontolo dia ny fakana ireo filoha teo aloha rehetra, fakana hevitra azy rehetra ireo, ary miara-miseho amin-dry zareo imasom-bahoaka. Fanetre-tena avy amin'ny filoha ihany no ahafahana mahavita izany ary mety ahafahana misoroka amin'ny rotaka ahiana hitranga amin'ny vokatry ny fanapahan-kevitra rehetra na hanohy na hanatsahatra ny fihibohana. Tenim-pitiavana tsy hisian'ny korontana eto Madagasikara io zavatra soratako io. Faly aho raha raisina io tolo-kevitra io fa tsy manenina amin'izay soratako kosa aho raha tsy raisina ilay tolo-kevitro.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aprily 2020 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox