« | »

Antananarivo mibilaogy 3.0

2007-01-06 @ 17:43 in Ankapobeny

Efa nanoratra teto aho ny amin’ny fihaonan’ny mpitoraka blaogy nirian’I JoGanY ary notontosaina teto Antananarivo. Efa rentsika fa tao amin’ny Karibotel Papangoo tamin’ny Zoma 06 janoary 2007 io fihaonana io. Nisy ny olona tonga ary na ny tsy nampoizina aza dia tonga tao ihany koa.
Olona folo toy ny tamin’ny fihaonana tao amin’ny Kudeta ihany izahay no tao ( fa ny olona no samihafa). Tamin’ity indray mitoraka ity dia ny vehivavy no vitsy an’isa (telo) ary lehilahy ny ambiny. Roa no vazaha ary lahy avokoa. Ny iray dia miaraka amin’ny vadiny malagasy ary ny iray nandeha irery fa manambady malagasy ihany koa, ny mahasadaikatra ahy dia hoe tokony holazaina amin’ny anarany ve izy sa tsia ary ity ve ny blaoginy sa ity? ( Ary tsy izaho irery no manao ity tia roa ity an! ary ny loza dia adinoko ny nanontany ny anarany) Ilay iray miaraka amin’ny vadiny malagasy kosa dia toy ny manaraka fotsiny satria ny vadiny no mpitoraka blaogy eto (Mia Casa). Na dia izany aza dia mandray anjara tao anatin’ny resaka mihitsy rangahy.

 

Ny vehivavy faharoa kosa indray dia efa fantatrareo satria izy no nanasa ny teto an-tanàna (JoGanY). Izany hoe rehefa ny any ivelan’I Dago izany no manasa dia tonga ny eto an-toerana e! Ny vehivavy fahatelo kosa indray dia tsy mpitoraka blaogy fa andeha atao hoe nasaina manokana…

 

Eto indray dia hilaza ireo efa tonga tamin’ny fihaonana farany teo ka mbola nilaza ny fahavelomany tamin’ity indray mitoraka ity dia I Barijaona sy I Aiky Fandresena ary jentilisa ( tsy mila tsindriana ny soratra jentilisa fa tsy nisy hitako ny nalehan’ny blaoginy anankiroa).

 

Ireo ambiny kosa dia mpitoraka blaogy ihany tamin’ny voalohany (raepr) fa rehefa voatsikera be loatra tamin’ny fitantarana nataony izay lazainy fa fitantarana tsotra ny zavatra hitany dia nihakamokamo nitoraka blaogy. Nandalo eto Antananarivo izy fa any amin'ny faritany any no mipetraka. Asa na hazoto amin’izay ny lehilahy na tsia amin’ity taona ity? Ary ny farany fa tsy atao hoe kely indrindra dia mpanoratra any amin’ny sehatra hafa anaty aterineto any fa tsy mbola nanangana blaogy. Izy kosa mieritreritra fa mety ho avy tokoa ny fotoana hananganany ny blaoginy.

 

Ireo izahay tonga tao. Ny fandehan’ny resaka kosa indray no nanao ahoana? Azo lazaina avy hatrany fa nahafinaritra na dia voasembasemban’ny hira kaloin’I Rakoto Frah Junior aza ka tsy ahenoana tsara ny zavatra lazaina indraindray. Nafana teo anoloan’ny jus sy ny labiera izany resaka izany ary ahenoana tokelaka ombieny ombieny. Eo ampivoriana dia mitovy avokoa fa tsy misy ambony sy ambany na gasy sy vazaha akory aza. Izaho moa noho ny tsy fahaizako miteny vazaha loatra dia ataoko teny malagasy ny resako fa tsy ivakiako loha loatra.

 

Nanomboka tamin’ny enina ora mahery minitra vitsy foana tokoa ny fotoana ary tamin’ny sivy ora no nandao ny maro fa mbola nisy kosa ireo nijanona fa izaho aloha dia nandeha tamin’ny sivy ora alina e! Teo manko no nilaza handeha I JoGany no nahatonga ny maro kokoa handeha…fa nafana ny resaka an! Sao dia lava loatra ny lahatsoratro fa aleo anjaran’ny sasany indray no milaza izay fomba fijeriny iny fihaonana iny.

(Hatramin'izao aho mbola misalasala hoe mety ve izany fanisako izany sa tsia?)

Hevitra

Aleo i Jentilisa tsy hahay teny vahiny mihitsy raha tsy mahay fa sao tsisy blaogy teny gasy 100% vakiana intsony :-P

Nampidirin'i pissoa @ 18:46, 2007-01-06 [Valio]

Dia arahbaina zany nahavita soa amantsara e!
nahafinaritra kosa zany...
za moa teny ambony roplanina dia nahatsiaro mihitsy oe ao zay ireo e..hihihihi
tsy aoa natin'ny mavitrika tsony ny blaogin'i kitjo fa hiverina @laoniny amzay angamba..hihiiihiih

tena oh mbola valaka be koa fa mba nanome sary ny ankizy tao @ forum Bira aloha no natao...mametraka sary fts no mba vitako amzao fa tena mbola malazolazo...

mba meo sary ry jentilisa an! efa mba komandy kosa zay e..hihihi

Nampidirin'i kitjo @ 18:58, 2007-01-06 [Valio]

pissoa a! --> mampme miits enao ity a! hihihi
jentilisa a! --> de resaka in avy kay no nataonareo ra azonao tantaraina e ? de aôna no ifampiantsoanareo koa kay ? "jentilisa", "jogany", sns ve ? hihihi
kitjo --> makà aina kely miits aloha ndry fa aleo za mba hanao "relève" e! hihihi

Nampidirin'i Tokinao @ 23:19, 2007-01-06 [Valio]

mba tantarao kosa le resaka nataonareo tany e :)

ary rahoviana ndray lesy ny manaraka ? :P

Nampidirin'i simplex @ 15:01, 2007-01-07 [Valio]

Adi-hevitra aloha tsy maintsy misy dia ny zavatra nahafinarira tamin'ny blaogy. izaho moa tsy nanan-kotantaraina dia tantara talohabe no notantaraiko. Fa inoako mbola inoako ny hafa no hitantara sy sasany e!

Nampidirin'i jentilisa @ 09:01, 2007-01-08 [Valio]

in ary le taloha b
hiihihih

Nampidirin'i kitjo @ 13:40, 2007-01-08 [Valio]

Tantara efa tany amin'ny taona 1985 tany re a! dia efa nilazako koa ry zareo hoe manao veloma anareo i Kitjo na i Alisoa ho'aho fa androany izy no miverina any Singapore...

Nampidirin'i jentilisa @ 15:00, 2007-01-08 [Valio]

nasianao oe 'amin'ny anaran'ny Tompo"???
ihhiihhiih
mananihany a eeee!!!!!
misaotra nampita ny hafatra ary ee...za ary mbo naheno ny feon jentilisa farafaharatsiny ko!

Nampidirin'i kitjo @ 16:38, 2007-01-08 [Valio]

Marina izany e! sady izaho koa efa naheno ny feon'i kitjo farafaharatsiny ihany koa. NY momba ny sary aloha dia tsy tafa e! nanadino fakantsary aho moa efa nifanaraka rahateo ny mpivory fa tsy avoaka ny sary. Olona efa matotra sy fanta-daza ny sasany ka manahirana. Efa resaka tao manko izany. Mety ho mahavoaroaka amin'ny asa tampoka raha fantatra no sady indraindray amin'ny blaogy ihany no afa-miteny izay manahirana amin'ny fiainana...

Nampidirin'i jentilisa @ 17:13, 2007-01-08 [Valio]

Tamin'ny enina ora latsaka dimy minitra katroka. Niantso ahy tamin'ny finday raepr nanontany ny misy ahy. Efa eo anoloan'ny shoprite indrindra aho tamin'izay fotoana izay. Izaho moa no nandrisika azy mba ho tonga amin'io fotoana io mba hampavitrika azy hitoraka blaogy indray. Ahitany hoe tahaka any ahoana avy ireo olona mpitoraka blaogy mivory amin'ny sehatra sahala amin'ireny. Saiky tsy nety mihitsy ny lehilahy na dia noho ny toerana fotsiny ihany aza. Nilaza taminy aho fa olona any ivelany no manasa ny mpitoraka blaogy ka izay hitany amin'ny aterineto ihany no tsy maintsy eritreretiny hanaovana ny fihaonana. Mazava loatra fa izay manana vohikala no iantefan'ny safidin'ny mpitoraka blaogy any ivelany sy heveriny fa azony antoka kokoa.

Amin'ny ankapobeny ihany koa dia olona efa manana ny ampy ihany no tena maro an'isa amin'ny mpitoraka blaogy, araka ny eritreritro, nefa tsy natao hampihemotra izany na dia manahirana aza ny mieritreritra azy. Izay indrindra aza no mba hanehoana ny feon'ny saranga antonony eto Madagasikara. Mba tsy hisy loatra ny herin-kevitry ny olona manan-kohariana sady mba mety mila ny hevitry ny karazan'olona hafa ihany koa izy ireo.

Mazava loatra fa mampisalasala be ny hiditra amin'ny toerana sahala amin'ny karibotel toa izay nataon'izy mianadahy nolazaiko hoe olona nasaina ao amin'ny lahatsoratra. I Aiky ao amin'ny lahatsorany ao amin'ny malagasy miray moa no nahafantarako hoe nijanona teo ivelany ihany izy ireo fa tsy sahy nandroso aloha...

Fony tamin'ny fihaonana tao amin'ny tana mibilaogy 2.0 tao amin'ny Kudeta moa dia "sambany" aho niditra bar. Noho ny fihaonana dia tonga ihany aho fa raha ny sitrapoko tamin'ny voalohany dia saiky tsy nandeha mihitsy aho. Dia izay koa no mety mampisalasala ny mpitoraka blaogy hafa eto Antananarivo izay tokony ho tsy vitsy mihitsy.

Mety ao ny eritreritra hoe nahoana no atao hariva? Manahirana anie ny fodiana amin'ny alina. Izay moa no antony nanoratako fony aho nilaza ity fihaonana fahatelo ity hoe ny tahaka izao indrindra no mety. Sarotra ny mitady fotoana hafa. Raha maraina samy any amin'ny asany any na miantsena raha faran'ny herinandro. raha tolakandro indray (Sabotsy ohatra) mety mbola misy zavatra karakaraina hatrany na miatrika ny adidy eo anivon'ny fianakaviana dia io ora io no ekeko ho manakaiky ny mety indrindra raha ohatra heverina hoe tsy mety ilay izy.

Manaraka izany ihany koa dia tsy manahirana ny mitady fiara na dia atao hoe tsy manana fiara manokana odiana aza. Ny fiarakaretsaka dia toy ny atoandro ihany rehefa mody fa mety mikapoka ambony fotsiny rehefa manombana. Rehefa hitan'ny mpamily anefa fa toy ny mahalala tsara ny sara ny mpandeha dia manaiky ihany izy. Ny anay izao dia Ar3.000 no nodiana. Ny mety ho olana dia raha lavitra loatra mivoaka an'Antananarivo mihitsy ilay olona no mody fa raha mbola anaty tanàna ka tsy mampatahotra dia manaiky hatrany ny mpamily. Ny antony? malalaka ny arabe dia tsy misy ny fitohanana...

Nampidirin'i jentilisa @ 17:43, 2007-01-08 [Valio]

Misaotra anao ndray @ fanampim-panazavana e!
Tsara kosa izany... iriana ny hidirantsika mpi-blaogy @lalindalina kokoa @ adihevitra maro samihafa na Fiainam-pirenena, Fanabeazana, Fahasalamana sns...Fiainana andavanandro...samy manana ny tandrifiny e!

Hafa ihany koa ilay mifampitafa noho ilay mijery tranokala fts ka jerem-potsiny toy ny tany nahalavoana na misy zavatra tsy eken'ny saina aza!

Azo eritreretina @ fihaonana toy izao manaraka ny manisy lohahevitra iombonana ka iarahana voizina satria samy manana ny mpitsidika "fideles"-ny avy ny mpitoraka bilao..haha..blaogy manko e!

Ohatra hoe "education civique" asa! mety ho azo dinihina izany fa tsy hisy olona 2 na 3 ve farafaharatsiny mba voakitika kely ny sainy..lol

Nampidirin'i kitjo @ 20:30, 2007-01-08 [Valio]

Tena eo ampamoahana hevitra momba ny fiainam-pirenena resaka fanovana ny lalam-panorenana mihitsy aho io ao amin'ny blaogiko miresaka politika (Tsindrio ny jentilisa misoratra amin'ity ho an'izay mbola tsy mahalala izany). fa tena mihistra tsy azo mihitsy ny "connexion". Ny lahatsoratra moa efa vonona izy io.

Nampidirin'i jentilisa @ 09:16, 2007-01-09 [Valio]

Eken Tompoko!
dia hojerena indray ny tontolom-pisainana rehefa avy namadibadika ny visavisa....
Tsy tadidiko marina io fa t@ famoahanao voka-pifidianana aho no mpamaky tao..hihihi

Nampidirin'i kitjo @ 14:44, 2007-01-09 [Valio]

Misaotra amin'ny fitantaraina Jentilisa a, mafinaritra ary hafahana ireo soson-kevitra, na momba ilay toerana na ny hora, sns...
Amin'ny manaraka, mba ianareo eo an-toerana indray izany no mba hifidy sy hikiarakara a! ;)
Dia miandry anao sy ianareo eo amin'ny Malag@sy Miray sisa izany, satria atao ho antsika Malagasy io ary miandry soratra amin'ny teny rehetra. Nefa ilay mpitoraka-bilaogy amin'ny teny gasy mbola vitsy laotra ao ka dia miandry izany a. :)

Nampidirin'i Tattum @ 08:28, 2007-01-10 [Valio]

Tattum, ka hatramin'izay tokoa dia hoe rehefa misy mpitoraka blaogy avy any ivelany mandalo dia manararaotra manasa ny eto an-tanàna izy. Ny ahy izao ny antony mbola tsy hanaovako ny ao amin'ny Malag@sy miray dia tsy tiako ho aty am-piasana ny adiresy IP ahafantarana ahy fa rehefa manana any an-trano aho...

Nampidirin'i jentilisa @ 09:26, 2007-01-10 [Valio]

Holà Jentilisa,
Efa tonga saomatsara eto an-tany mangatsika aty Montréal izahay, nefa efa mahaleo mafy ny any @ tanana. Inona moa fa vao tonga dia efa eto @ internet sy ny blaogy eto dray i kala JoGanY!
Nahafinaritra iny fotoana iny satria olona tsotsora (sy be resaka) daholo ny tonga teo. Na teny gasy na teny frantsay ny teo samy nifankahazo tsara daholo tsika sady natsirotsiro ny resaka.
A la prochaine ary ê!

Nampidirin'i JoGanY @ 17:42, 2007-01-10 [Valio]

Misimisia ihany ny manaraka fa mety hafa ihany koa ange ilay mifanatri-tava e

Nampidirin'i kitjo @ 19:47, 2007-01-10 [Valio]

Raha mijery isika tao anatin'ny fihaonana in-telo teto Antananarivo dia indray isan-taona no nisy...mety hankaleo koa anie raha asiana fihaonana foana e! fa raha tena mitady moa ny maro tsy aleo ve any amin'ny telovolana farany any indray? eritreritra ny ahy aloha! sa ho be ve ny ho tonga eto amin'iny fialan-tsasatra lehibe volana aogositra iny?

Nampidirin'i jentilisa @ 08:41, 2007-01-11 [Valio]

Ilazao mialoha fts e
za manokana aloha volana fevrier any dia efa mody tanteraka nay Dago raha tsy misy indray ny sampona..
Za tonga foana aloha hatrizay isaky ny misy fihaonana raha ao Tana za e..
T@ilay tao @ Vatomanga ary za avy any Bira no niakatra..hihiihihi...
Ilay mahita ny endrik'ilay olona ambadiky ny ps mihitsy no tena mahafaly anah...

Nampidirin'i kitjo @ 17:10, 2007-01-11 [Valio]

Ary tsy fantatro indray izany tao amin'ny vatomanga izany?

Nampidirin'i jentilisa @ 17:42, 2007-01-11 [Valio]

Efa elaela io k!
t@ 2004 angamba raha tsy diso aho..ary toa io aza ny Fihaonana Namana nalehako voalohany..fa tsy mpitoraka bilao-g akory!
Tao @ vatomanga 67ha..sa moa tsy zay ny anarany?

Dia ny nalehako farany ilay tao @ EPP Ampefiloha..

Saingy nahitako ny namana rehetra farany kosa moa dia Fahoriana, ry zareo tonga namangy...

mahafinaritra k! sady misy ekipa soliiiide be mihitsy ao..ny mpitoraka bilao-g no tsy haiko,..haha

ry jentilisa izao kosa ve d hahasosotra sa?

Nampidirin'i kitjo @ 20:20, 2007-01-11 [Valio]

Mahasosotra ahoana kosa ary? mampitsiky ahy ny teninao an!

Nampidirin'i jentilisa @ 07:44, 2007-01-12 [Valio]

ka zay manko hoa e!
mbola hihaona eo tsika to d asiko reportage en kolera ndray ny blaogiko avy eo...atao gros plan i jentilisa aminy...hahahahhaha
sao d mitsoaka eo an!
Mitsikia hatrany

Nampidirin'i kitjo @ 07:33, 2007-01-18 [Valio]

Lasa manao tsiky vendrana amin'izany aho no atahorako koa...tadiavinao ho hitam-bahoaka ny sariko!!!

Nampidirin'i jentilisa @ 16:01, 2007-01-18 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox