« | »

Fiangonana ho Mosquée?

2007-04-16 @ 10:23 in Finoana

Tsy aiza tsy aiza ity fa eto Antananarivo renivohitry Madagasikara ihany. Tsy angano na habobo fa mbola eo ampanorenana aloha. Efa rentsika ihany angamba fa hanorina fiangonana ny Fikambanana Apokalypsy eto Madagasikara. Eo Vinany Itaosy ho hanorenana azy raha sitrapon’Andriamanitra. Misy zavatra vitsivitsy nanaitra ahy nahatonga ahy hanoratra etoana.

Voalohany, ny endriny ankapobeny : raha jerena tampoka dia Mosquée no hitanao saingy ny tafo no ranombolamena tahaka ny Mosquée d’Al Aqsa ao Jerosalema. Andeha atao hoe mitovy endrika amin’ny fiangonana lehibe an’ny Ortodoksa ihany koa saingy be varavarankely be velarana toy ny fahita eny amin’ny Toeram-pivavahan’ny Silamo hitako eny Ankorondrano mihitsy. Tsy maintsy ho taitra ny tena raha mahita izany ka te-hijery ny zavatra manaraka ihany koa. Efa malaza fa ho lehibe fahatelo manerantany no eritreretin-dry zareo ary ho lehibe indrindra eto Afrika moa izy io. Mahatratra 135m ny halavany sy 42m ny hahavony ary eritreretina hahatafiditra mpivavaka 15.000 eo ho eo izy io, ny sakany moa maherin’ny 40m ihany koa saingy tsy mahatsizoro manko ilay izy fa miendrika roazodafy hafahafa izay ka asa izay ho fivoakany rehefa tena izy.

Misy rihana roa ity trano eritreretina haorina ity ary ny any ambony indrindra dia eritreretina hisy faritra ho fiantsonana angidimby anankiroa (Héliport). Manaraka izany, eritreretina ho parking na fiantsonan’ny fiarakodia mihoatra ny telonjato ny farany ambany. Tsy mikiraro ny miditra ao fa misy efitra ho fitoeran-kiraro fotsiny…ho heno ao izay manam-pofon-tongotra androany…fa hisy toeram-panasan-tongotra eo ampidirana. Io manko no nahataitra ahy faharoa, dia toy izany indrindra ny any amin’ny Mosquée ry zareo a ! saingy noho ny hevitra hafa izay mifandraika amin’izany no anton’ny tsy ampidirana kiraro io fiangonana io : Tsy dabilio no ipetrahana ao fa lafika mihaja, moquette.  Raha tombanana fotsiny amin’izao dia saiky ny fomba any amin’ny toeram-pivavahana Silamo no ho tsikaritrao ao anatin’izany fitantarana izany (fa maninona koa ary raha mba asiana sary ?). Saingy efa fantatsika ihany fa lafo dia lafo ny vidin’ny hazoala ankehitriny sady raha dabilio sahazo olona 15.000 izany tena ho goavana be ny fandaniana. Ho sahirana ny olona hitorevaka nefa atao ahoana moa ? Marihina eto ampamaranako ny lahatsoratra fa tsy mifangaro ny lahy sy ny vavy rehefa mivavaka ao amin’ity antokom-pinoana ity.

Hevitra

kozy ve?

zany ve tsy efa tendance musulman mintsy le. Ny tsy hitovizana fotsiny nga d le hoe zoma no mivavaka ny silamo, ny lelah mahazo manambady hatr@ 4, ary ny vevavy misarin-doha... Tsy misy maharatsy azy aloha le fombafomba fa zany hoe lery manana tendance hanao otran'le @ secta @ film no atahorana. Le ho tonga @ suicide communautaire no tsy laitra, hehe Ary mahazo vola ihany zany lery ra atao ny kaonty an :) Mba manatsara ny tanana ihany ve aloha ny poziny sa ahoana e ?
Nampidirin'i simplex @ 13:52, 2007-04-16 [Valio]

Tena mahavariana tokoa izany saingy tsy misy maharatsy azy mihitsy satria manampy be dia be amin'ny fifantohana eo ampivavahana ireo rehetra misongadina ireo.
Ny hany sisa andrasana izany dia hoe hisarontava koa ve ny vehivavy rehefa hivavaka ao sa tsotra ihany.
Misaotra an'i Jentilisa nizara.

Nampidirin'i soanja @ 16:06, 2007-04-16 [Valio]

Manahy ihany aho ho'a!!!

Raha jerena ny hetsiketsiky ny silamo hiringiriny manerana ny tany dia hoy aho hoe manahy ihany aho.
Misaotra an'i Jentilisa nampita vaovao.

Nampidirin'i kally @ 19:03, 2007-04-16 [Valio]

Mety tsy ho io no lehibe indrindra aty Afrika, fa mety ho fahatelo.
1-Bazilika (Katolika Romana) ao Yamoussokro Cote d'Ivoire
2-Faith of Tabernacle (Winner's chapel) ao Lagos Nigeria izay mahazaka olona 50000.

Mety tsy hisaron-tava ny vehivavy, izay efa misaron-doha.

Fa manahy ve i jentilisa fa lasa hirona ho silamo ny fivavahana ao? Mahakely finoana ahy aloha raha izany.

Ilay manala kiraro dia mety mba hampihenana @ fahasahiranana @ fanadiovana satria ho henjana ihany ny hamafa io trano io. Fa dia ho hisy asa vaovao hiforona indray izany ny @ hitantanana ireo kiraro marobe ko! Ny mpiandraikitra an'io kosa aloha angamba tsy maintsy manao saron'orona e.lol

... Ho vita @ 2012 izany ilay fiangonana, i Razoky moa efa naminany fa ho filoha @ 2013... mmmmm

Nampidirin'i Kwasi @ 23:14, 2007-04-16 [Valio]

Ahitana

Ahitan-javatra ihany koa ny filazana avy aminareo. Tetikasa kendrena ho vita ao anatin'ny dimy taona io fiangonana io.

Ny tian'ny Apokalypsy holazaina dia fiangonana mitafo. Izay izao no tsy ahitantsika ny Basilique de St Pierre ao Vatican. Mitovy amin'io ihany koa ny ao Yaoussokro raha tsy diso aho. Ny faith of Tabernacle kosa indray dia tsy fantatro na mitafo na tsia fa manomboka matanjaka ihany koa io fiangonana io eto Madagasikara.

Nampidirin'i jentilisa @ 07:10, 2007-04-17 [Valio]

fiangonana sa mosquée

Raha mba nataon'i mailhol ozinina io na karazan-javatra tahaka izany dia angamba mba nampiditra asa betsaka ho an'ny olona raha toa ka tena hanasoa (fa tsy asa soa)no heverina. Vola be laniana amin'io ve tsy tokony mba nahavitàna zavatra hafa nanova na dia kely monja aza ny isanandron'ny olona izay niasa tao ?
Ny fanjakan'ny lanitra anie tsy mampiasa devizy ka hoe hamerim-bola e !

Nampidirin'i mizàna @ 11:00, 2007-04-17 [Valio]

raha avadika kely ny mizàna dia azo oharina amin'ny ozinina... ara-panahy ny fiangonana.

raha azoko tsara ny resaka dia i mailhol no tompon'antoka amin'izao raharaha izao : tena ahazoam-bola be izany fiangonana. manome vokatra ara-bola financier ihany koa ny ozinina !

Nampidirin'i Rajiosy @ 12:54, 2007-04-17 [Valio]

ampelatanana

Efa nolazainy moa fa zato tapitrisa (Ariary?) ny eo ampelatanany amin'izao fotoana izao.

Nampidirin'i jentilisa @ 16:05, 2007-04-17 [Valio]

Sao dia ny arsitekta no arabo? Fa mety ho danz ihany aloha raha mifangaro toerana ny lahy sy ny vavy amin'izany an. Hoe ao am-piangonana, samy mipetraka ambany, mifampikisikisina ao, dia mety samy miondrikondrika eo daholo, ny vehivavy amin'io manao zipo ... hmmm mizana > raha teo am-pelatananao ilay vola, dia mety ho izay no nataonao ... saingy tsy izay rajiosy > saingy tokony ho tsy olombelona no tompon'ny volan'ny fiangonana. Ary mampisy fakam-panahy io resaka vola sy vahoaka io an.
Nampidirin'i lapino @ 14:31, 2007-04-18 [Valio]

villa milay ao Tana no vitan'izany fa tsy mahvaita trano mahangona olona dimy arivo sy iray alina velively izany !

Nampidirin'i Rajiosy @ 16:41, 2007-04-18 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox